UNIVERSITE D’ANTANANARIVO

ECOLE NORMALE SUPERIEURE

DEPARTEMENT DE LA FORMATION INITIALE LITTERAIRE

CER : LANGUE ET LETTRES

MALGACHES

MEMOIRE DE FIN D’ETUDES POUR L’OBTENTION DU CERTIFICAT D’APTITUDE PEDAGOGIQUE DE L’ECOLE NORMALE (CAPEN)

NY FAHAN-JAFY ANKEHITRINY AO AMIN’NY FOKO MAROFOTSY. NY ENDRINY SY NY LANJANY. FOKONTANY AMBODIVOARA, DISTRIKA TSARATANÀNA, FARITRA

PRESENTE PAR : LANDIARINJATO Lyve Michaelà

DIRECTEUR DE RECHERCHE : Madame SOLO-RAHARINJANAHARY RAHARIMALALA Anatolie Professeure Titulaire et Directrice de Recherches à l’Université d’Antananarivo Ecole Normale Supérieure Date de soutenance : 30 Avril 2015

TENY FISAORANA

“Ny hazo no vanon-ko lakana, ny tany naniriany no tsara”. Matoa tontosa izao asa fikarohana izao, teo ireo Andriamanitra sy ny Razana nitantanana, teo ihany koa ireo mpampianatra nitarika sy nanoro hevitra hatrany ary teo ireo tapaka sy namana rehetra nantsoina andro na alina nilàna hevitra dia vonona nanohana hatrany, koa mendrika hotolorana fisaorana mitafotafo etoana izany rehetra izany.

Maneho fankasitrahana azy ireo tsirairay izahay. Singaninana sy tsy adinoina ny mpampianatra namolavola hatramin’izay, ireo izay tato amin’ny ENS, fa indrindra ireo nanohana sy nankahery anay akaiky tamin’ity asa fikarohana ity:

Ny Talen’ny Sampana Malagasy, Andriamatoa RANDRIAMAHAZO Jean Claude, nanaiky tamim-pitiavana ny hanatontosanay izao asa fikarohana izao. Tsy ho fola-tana-manondro anie izy, hikapa hahita ny tonony, handidy hahita ny vaniny, eo amin’ny asa aman-draharaha sahaniny.

RAMATOA RAZAIARISOA Olga nanaiky ho filoha mpitarika ny asa fikarohana izay nataonay. Nahafoy tena sy fotoana nanampiana anay. Fantatray fa maro ny adidy sahaniny nefa tsy nitarain-tana-miempaka fa nanao izay tratry ny heriny noho ny fitiavana anay. Koa mankasitraka azy eram-po eran-tsaina, hahita fahombiazana amin’izay rehetra ataony anie izy.

RAMATOA MPITSARA RAMANAMBELINA Henriette, nanaiky am- pitiavana nitsara izao asanay izao. Asa sarotra izany ary adidy goavana. Nekeny tamim-pitiavana anefa ny nanatontosa izany. Koa mankasitraka, mankatelina. Enga anie izy mba ho lava andro iainana, hivimbina ny soa sy ny tsara hatrany eo amin’ny fiainana.

RAMATOA mpitarika ny asa fikarohana, Prôfesora SOLO- RAHARINJANAHARY RAHARIMALALA Anatolie, singaninana manokana ary tsy azo odian-tsy hita satria izy no antoka nahatontosa izao asa izao, nanaiky hamaha ny olana nosedraina talohan’ny hahatongavana amin’izao dingana izao izy. Nitarika sy nanitsy anay tamin’ny fanatontosana ny asa na maro aza ny andraikitra sahaniny. Atolotra azy ny fisaorana amam-pirarian-tsoa, ny voninahitra sy ny haja.

i

Andriamatoa solombavambahoakan’ny distrikan’i Tsaratanàna sy Andriamatoa Ben’ny tanànan’ny kaominina Keliloha. Nandray anay tamim-pitiavana sy nanampy anay tamin’ny fanangonana ny akora. Misaotra Tompoko.

Ny tangaleman’ sy Keliloha, ireo sokajin’olona samihafa nanaiky nifampidinihana izay tsy ho voatanisa eto, fa kosa tolorana fisaorana bevata.

Manaraka izany teo ny fianakaviana nanohana anay hatrany tamin’ny lafiny rehetra. Mankasitraka anareo rehetra.

Maro ireo namana sy sakaiza tsy nahafoy nanohana anay, nifaneraseranay, nitondra anay am-bavaka. Zava-dehibe taminay ny fandraisanareo rehetra anjara tamin’ny lafiny rehetra. Mankasitraka mankatelina anareo.

Tsy adinoina ny misaotra ny fikambanan-dry masera GUADALOUPAINES DE LA SALLE, naniraka anay hianatra, nanohana tamin’ny lafiny rehetra. Misaotra manokana ny SECOLI, mankasitraka an’i Môpera CASTIGLIONE Mario ao amin’ny OSST ray mpiahy ny tenanay. Misaotra amin’ny fitiavana.

Mankasitraka anareo rehetra ny tenanay, enga anie ianareo ho tratra antitra, ho lava velona, hanam-bola hanan-karena ary hisondro-boninahitra eo amin’ny tany ama-monina misy anareo.

Misaotra Tompoko.

LANDIARINJATO Lyve Michaelà.

ii

LISITRY NY SARIN-TANY

Saritany 1: Maneho ny faritra 22 eto Madagasikara...... 20

Saritany 2: Maneho nyfaritra Betsiboka ...... 21

Saritany 3: Maneho ny distrikan’i Tsaratanàna...... 23

Saritany 4: Maneho ny kaominina Keliloha...... 25

LISITRY NY SARY

Sary 1: Ny tanànan’Ambodivoara...... 26

Sary 2: Ny reniranon’i Tsimalahy...... 29

Sary 3: Ny tsangambaton-dRABEZAVANA...... 30

Sary 4: Ny fasan’ANDRIAMANARAKANAKA...... 46

Sary 5: Ny zafikely miasa...... 63

Sary 6: Ny fanafody nampiasaina...... 74

Sary 7: Ny joro...... 78

Sary 8: Ny zafikely misakafo...... 84

iii

LISITRY NY FAFANA

Fafana 1: Ny toetr’andro...... 28

Fafana 2: Ny karazana trano...... 35

Fafana 3: Ny isan’ny mpianatra...... 43

Fafana 4: Ny isan’ny kristianina...... 47

Fafana 5: Ny fitsinjarana asa...... 60

Fafana 6: Ny fizarana ny hena...... 80

Fafana 7: Ny vidim-panafodin’omby...... 120

Fafana 8: Ny vidin-javatra sy ny vidin’omby...... 122

Fafana 9: Ny olona nanaovana fanadihadiana...... xx

iv

FANAFOHEZAN-TENY AR: Ariary

CE: Cours Moyen.

CEPE: Certificat d’Etude Primaire

CSBII: Centre de Santé de Base

CD: Compact Disc.

ENS: Ecole Normale Supérieure.

EPP: Ecole Primaire Publique.

EKAR: Eglizy Katolika Romana.

EVA: Education à la Vie et à l’Amour

FJKM: Fiangonanan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara.

LMD: Licence Master Doctorat..

Md: Masindahy

INSTAT: Institut National de la STATistique

IPA: Iharilanto Patrick Andriamangatiana

OSST: Ordre de la Sainte Trinité

RN: Route Nationale.

T°: Température.

SECOLI: Service de Coopération Lasallienne Internationale

v

DIKANTENY B

Babe: Renibe

Benahoana: Olona samy hafa fiaviana no mitambatra

D

Dadilahy: Dadabe

J

Jamà: Lanonana fanao amin’ny fanatontosana fomban-drazana

Jiba= Fotsy

K

Kobana: Farafara

L

Lapa: Tranon-drazana (tranobe any antsimo)

M

Misaika: Mandro

Manabôtibôty: Mitaiza, mikolokolo

Mandronto: Miantso amin’ny feo avo

Manikin-jaza: Mamora zaza, manao zazalahy

Moletry: Omby atolotra ny ray aman-drenin’ny zazavavy alaina vady

Masitasita: Mahery setra, tia sotasota

Mandrombo: Mitehaka fanao indrindra miaraka amin’ny hiraketsa...

O

Omby fangaro mainty: Omby mainty fotsy rambo

Omby jiba tongotra, jiba tanana: fotsy tongotra , fotsy tanana.

Omby fehikira: omby misy fotsy kely manodidina eo ambonin’ny sahondran-drambo

vi

FANOROAM-PEJY

Teny fisaorana...... i

Lisitry ny sarin-tany:...... iii

Lisitry ny sary:...... iii

Lisitry ny fafana:...... iv

Fanafohezan-teny:...... v

Dikanteny:...... vi

Fanoroam-pejy:...... 1

Teny fampidirana...... 7

0.1. Petraka olana...... 8

0.2. Petraka hevitra...... 9

0.3. Ny tanjona kendrena...... 9

0.4. Ny haitsikera...... 10

0.4.1. Ny famaritana ny tebo-kevitra...... 10

0.4.2. Ny teôria nampiasaina...... 11

0.5. Ny fomba fiasa...... 13

0.6 Ireo mpamaky lay...... 15

0.7. Ny olana nosedraina sy ny vahaolana...... 16

0.8. Ny fetran’ny asa...... 17

- 1 -

0.9. Ny drafitra...... 17

FIZARANA VOALOHANY: NY FAMPAHAFANTARANA NY TOERANA HANAOVANA NY FIKAROHANA, NY FOKO MAROFOTSY...... 19

1.1. Famaritana jeôgrafia...... 21

1.1.1. Ny faritra Betsiboka...... 21

1.1.1.1. Ny distrika Tsaratanàna...... 22

1.1.1.2. Ny kaominina Keliloha...... 24

1.1.2. Ny fokontany Ambodivoara...... 26

1.1.2.1. Ny toe-tany sy ny toetry ny andro...... 26

1.1.2.2. Ny zava-maniry sy ny renirano...... 28

1.2. Ny tantara...... 30

1.2.1. Ny foko Marofotsy...... 31

1.2.1.1. Ny fiaviany...... 31

1.2.1.2. Ny fivoarany...... 33

1.2.1.3. Ny olana ao aminy...... 33

1.2.2. Ny niorenan’ny tanàna…………………………………………………….34

1.2.2.1. Ny fivoaran’ny tanàna…………………...... 34

1.2.2.2. Ny mponina……………………………………………………………...35

1.2.2.3. Ny firafitry ny mponina………………………………………………….36

1.2.2.4. Ny foto-pivelomana……………………………………………………..39

- 2 -

1.2.3. Ny lafiny sôsialy……………………………………………………………41

1.2.3.1. Ny fanabeazana…………………………………………………………...42

1.2.3.2. Ny fahasalamana………………………………………………………….44

1.2.3.3. Ny finoana………………………………………………………………..45

1.2.3.4. Ny fandriampahalemana...... 47

FEHIN’NY FIZARANA VOALOHANY………………………………………..48

FIZARANA FAHAROA: NY FAHAN-JAFY………………………………...49

2.1. Ny fanoritsoritana ny joro…………………………………………………50

2.1.1. Ny famariparitana ny voambolana………………………………………...50

2.1.2. Ny tantaran’ny fahan-jafy………………………………………………….53

2.1.3. Ny endrika isehoany……………………………………………………….53

2.1.4. Ny foto-kevitra ijoroany sy ny zava-kendreny…………………………….54

2.2. Ny fizotry ny fahan-jafy……………………………………………………58

2.2.1. Ny fotoana fanomanana……………………………………………………58

2.2.1.1. Ny fivoriam-pianakaviana………………………………………………..58

2.2.1.2. Ny famonjena mpimasy………………………………………………….63

2.2.1.3. Ny toerana sy ny fotoana…………………………………………………65

2.2.1.4. Ny fanasana ny olona…………………………………………………….66

2.2.2. Ny fotoana fanatontosana…………………………………………………..68

2.2.2.1. Ny famanana lapa…………………………………………………...... 69

- 3 -

2.2.2.2. Ny fampidirana ny omby ao ambalamena……………………………….71

2.2.2.3. Ny fiantsoana ireo zava-masina rehetra…………………………………76

2.2.3. Ny fotoana famaranana……………………………………………………84

2.2.3.1. Ny fisaorana ny olona…………………………………………………...85

2.2.3.2. Ny fafa lapa……………………………………………………………...86

2.2.3.3. Ny fivoaran’ny fahan-jafy……………………………………………….86

2.2.4. Ny fampitahana ny fahan-jafy amin’ny fafy zaza…………………………87

FEHIN’NY FIZARANA FAHAROA…………………………………………88

FIZARANA FAHATELO: NY ANJARA ASAN’NY FAHAN-JAFY EO AMIN’NY FIARAHAMONINA NY OLANA, NY TOLO-KEVITRA HO FANATSARANA NY FIAINAM-PIARAHAMONINA………………………………………………89

3.1. Ny anjara asan’ny fahan-jafy……………………………………………..91

3.1.1. Ny famelombelomana ny finoana…………………………………………91

3.1.1.1. Ny finoana an’Andriamanitra sy ny Zanahary………………………….92

3.1.1.2. Ny finoana ny Razana…………………………………………………..95

3.1.1.3. Ny finoana ny fisian’ireo zava-masina………………………………....97

3.1.1.4. Ny finoana fonosin’ny: toeana, fotoana, fitaovana………………….….99

3.1.2. Ny fanamafisana ny firaisan-kina……………………………………….111

3.1.2.1. Ny mpiray monina………………………………………………….…111

3.1.2.2. Ny mpianakavy………………………………………………….……113

3.1.3. Ny fanabeazana ny olona……………………………………………….115

- 4 -

3.1.3.1. Ny fiarovana ny aina maha olona……………………………………….115

3.1.3.2. Ny fandraisana sy ny fanaovana adidy……………………………...... 117

3.1.3.3. Ny fahaizana mihary……………………………………………………117

3.1.3.4. Ny fampandrosoana ny tanàna…………………………………...... 118

3.2. Ny olana……………………………………………………………………118

3.2.1. Eo amin’ny lafiny finoana………………………………………………..119

3.2.2. Eo amin’ny lafiny toe-karena…………………………………………….120

3.2.3. Eo amin’ny lafiny sôsialy……………………………………………….122

3.2.4. Tsy fahafantarana ny hevitry ny fomba………….………………………124

3.3. Ny soso-kevitra……………………………………………………………126

3.3.1. Ny”inculturation”na finoana iainana……………………………………..126

3.3.2. Ny fanabeazana…………………………………………………………..127

3.3.3. Ny fahasalamana………………………………………………...... 128

3.3.4. Ny fandriampahalemana…………………………………………………129

FEHIN’NY FIZARANA FAHATELO………………………………………129

TENY FAMARANANA………………………………………………………131

TAHIRIN-KEVITRA ………………………………………………………...135

TOVANA……………………………………………………………………….vii

Les Marofotsy………………………………………………………………….viii

Ny fomba fanompoana ao Analavory………………………………………….xi

Santionana joro fahan-jafy nataona vehivavy……………………………….xiii

- 5 -

Karazana joro………………………………………………………………...xv

Santionana fanontaniana tamin’ny fanadihadiana………………………..xvi

FINTINA……………………………………………………………………..xxi

RESUME……………………………………………………………………..xxi

RESUMEN:………………………………………………………………….xxi

ABSTRACT:………………………………………………………………...xxii

- 6 -

0. TENY FAMPIDIRANA

Anisan’ny sekoly ambony manofana olona ho mpanabe ny taranaka fara mandimby ny ENS. Koa ao amin’ny taona fahadimy, ny mpianatra tsirairay araka ny rafitra mipetraka ao amin’ny sekoly, ho famaranana ny fianarana izay natao dia tsy maintsy manana lohahevitra tohanany. Misy taranja maro samihafa azo isafidianana ao anatin’ny Sampana malagasy izay misy anay: literatiora, haifampianarana, antrôpôlôjia... Araka izany ny asanay dia nafantoka tamin’ny taranja antrôpôlôjia. Sehatra iray isan’ny ironan’ny mpikaroka maro izy io satria mandinika mivantana ny Olombelona. Misy zana-taranja maro samihafa ao amin’ny antrôpôlôjia ary samy manana ny maha izy azy avokoa na samy momba ny olombelona aza anefa no iaingan’ny fikarohana ao anatin’izany. Koa anisan’ny sehatra iray amin’izany ny antrôpôlôjia mandalina ny fiarahamonina, izay ahitana ny “anthropologie religieuse”. Mifantoka amin’io indrindra ny asanay dia ny antrôpôlôjia mandalina ny finoana sy ny fivavahana izany. Asehonay etoana araka izany ny fomba amam-panaon-drazana izay misy any amin’ny foko Marofotsy amin’ny endriny ankehitriny.

Iaraha-mahalala mantsy fa mirimorimo ny fihazakazaky ny fandrosoana eo anivon’ny fiarahamonina amin’ny ankapobeny amin’ny lafim-piainana rehetra amin’izao vanim-potoana izao. Miroborobo ny tekinôlôjia. Samy miezaka manara- damaôdy mampiasa izany avokoa ny ankamaroan’ny olona. Lanja miakatra hatrany araka izany ny vidim-piainana. Misy amin’ireny zava-baovao miditra eo amin’ny fiarahamonina ireny anefa no tsy voafehy ny fampiasana azy. Izany dia anisan’ny singan-javatra manimba sy mamotika ny kolontsaina sy ny soatoavina maha malagasy. Toa tsy mahaliana firy ny Malagasy maro intsony ny fomba amam- panaon-drazany amin’ny ankapobeny. Ny maharoboka azy bebe kokoa dia ny fomba fiainana maoderina entin’ny vahiny. Izany ny nahatonga anay hisafidy ity lohateny ity hoe: “ Ny fahan-jafy ankehitriny ao amin’ny foko Marofotsy. Ny endriny sy ny lanjany. Fokontany Ambodivoara, distrika Tsaratanàna, faritra Betsiboka”. Mifono soatoavina maha malagasy ity fomba ity anisan’izany ny fandalana ny aina, maneho ny kolontsain-drazana ihany koa dia ny firaisan-kina sy ny fihavanana. Noho izany dia tokony hokarohina satria mibaribary tokoa mantsy amin’izao fotoana izao ny zava-misy atrehina ao amin’ny fiainam-pianakaviana.

7

Misy maro ireo izay mandalo fotoan-tsarotra toy ny fisaraham-bazana eo amin’ny ray aman-dreny sy ny zanaka.

Fositra manimba ny fiarahamonina izany ary ahiana hipaka hatrany amin’ny fiainam-pirenena ka mety hiteraka ady an-trano. Antoka iray hamelomana ny fifankatiavana sy firaisan-kina eo amin’ny mpiara-monina araka izany ny fikarohana momba ny fahan-jafy izay aroso etoana.

0.1. Ny petraka olana

Miatrika olana goavana ny fomban-drazana ankehitriny noho ny firimorimon’ny fandrosoana. Misy araka izany ireo riba sasantsany izay tsy fahita firy intsony. Eo anatrehan’izany dia teraka ny fanontaniana manitikitika ny saina amin’ity fomban-drazana izay hodinihina ity manao hoe: Inona moa ny mety ho tombotsoa azo avy amin’ity fomba fahan-jafy ity? Inona koa ny sakana tsy hanatontosan’ny olona azy firy intsony ankehitriny? Mandritra ny fandalinana no hamalianay izany fanontaniana izany.

Raha izay ny petraka olana, tsara raha hazavaina manaraka ireo antony nahasarika anay hanao ity asa fikarohana ity.

 Ny anton’ny safidy Nanosika anay bebe koa ny fitiavana ny taranja antrôpôlôjia nandritra ny taom-piofanana tato amin’ny ENS. Maro ny zavatra voarainay tamin’izany: teo ny lesona izay mampitombo ny ara-tsaina, tao ihany koa ny firotsahana an-tsehatra: ny fitsidihana ireo toerana fanasinana maro teto Antananarivo sy ny tany amin’ny faritra nandritra ny dia fibeazana.

Manaraka izany, teo ny fahatsapanay ny maha zava-dehibe ny tokony hitrandrahana ny fomban-drazana. Koa ny joro fahan-jafy no nahaliana anay tamin’izany. Noheverinay fa anjara biriky eo amin’ny firenena ny fanaovana azy ity. Sady mitahiry ny teny mantsy izy no ahazoana mitaratra ihany koa ny kolontsain’ny foko Marofotsy izay manao azy. Ilaina ny mandalina azy ity araka izany fa indrindra manoloana ny fibosesiky ny kolontsaina vahiny. Inoanay mantsy fa ho mora ho an’ireo taranaka ny manao ny safidy eo amin’ny fiainany rehefa mazava aminy ny dikan’ny fanatontosana ny fomba amam-panaon-drazany. Nataonay koa izao fikarohana izao mba ho fampahafantarana amin’ny olona rehetra ny foko Marofotsy

8 noho izy tsy mbola be mpahalala firy raha ny fahafantaranay azy. Ankoatra izany, ity joro fahan-jafy ity koa dia nataonay mba hanampy ny olona mikasa hitondra asa fampandrosoana amin’iny distrikan’i Tsaratanàna iray manontolo iny. Anisan’ny loharano mampahomby ny asa fampandrosoana eo amin’ny toerana iray mantsy ny fahalalana ny fomban-tany. Ilaina ity asanay ity, eo amin’ny sehatry ny fanabeazana, azo atao fitaovana azon’ny mpianatra, ny mpampianatra hanovozan-kevitra, eo amin’ny zana-taranja riba izy ity, ary tari-dalana ho an’ireo zandry izay mbola hanao asa fikarohana riba any amin’ny foko Marofotsy.

Farany, toerana niriariavanay nandritra ny fahazazanay Ambodivoara izay nanaovanay ny fikarohana. Koa amin’ny ankapobeny tsy maha vahiny anay ny zava- misy sy ny fomba fiainan’ny mponina any an-toerana. Manaraka izany, ny joro fahan-jafy, efa niainanay tamin’ny fahazazanay ihany koa. Efa imbetsaka izahay no nanatri-maso izany. Noheverinay àry fa ho mora ny fanatontosanay ny asa fanadihadihana. Izany mantsy dia anisan’ny zava-dehibe, tsy maintsy fantatra rehefa handinika fiarahamonina.

0.2. Ny petraka hevitra

Fantratra fa, samy manana ny fomba amam-panaony mampiavaka azy ny Malagasy isam-paritra sy isam-poko. Nanintona ny sainay ny fahan-jafy any amin’ny Marofotsy. Ireto hevitra vitsivitsy manaraka ireto no hodinihinay amin’izany:

- Ny fahan-jafy maneho ny rafi-pandaminana sy ny kolontsain’ny mponina manao azy.

- Ny fahan-jafy manabe ny olona amin’ny lafim-piainana eo amin’ny fiaraha- monina.

- Ny fahan-jafy mihamanjavona noho ny fahasarotam-piainana misy eo amin’ny fiarahamonina.

Inona ary moa ny tanjona kendrenay amin’ity asa fikarohana ataonay ity?

0.3. Ny tanjona kendrena

Antoka iray anisan’ny mampivoatra ny fiainan’ny olona ny fananany soatoavina iainana. Sarobidy araka izany, ny fahalalana azy ireny. Noho izany, dia noraisinay adidy ny fanatanterahana izao asa fikarohanay izao. Kendrenay amin’izao

9 asa izao ny mba hitondra fampahalalana ho an’ireo Malagasy mpiray tanindrazana fa misy ny foko Marofotsy. Azo ambara fa anisan’ny foko manana ny fomba amam- panaony mampiavaka azy amin’ny hafa izy. Fomba izay mitahiry ny soatoavina sy ny kolontsaina mahamalagasy. Iray amin’izany ny fahan-jafy izay fomban-drazana toa mihamatimaty amin’izao vaninandro izao nefa mirakitra harem-panahy maro. Noho izany, tanjonay ihany koa ny mba hiroboroboan’io fomba io indray. Izao asanay izao ihany koa dia ataonay mba hisintonana ny sain’ireo vondrona mpitondra asa fampandrosoana fa malalaka ny distrika Tsaratanàna, ary manan-karena na an- kibo tany na an-tanety.

Inona àry ny teôria nahafahana niatrika ity asa fikarohana ity?

0.4. Ny haitsikera nampiasaina

Ny mpanao asa fikarohana dia tsy maintsy manana fomba fijery mazava enti- miatrika ny asa fitrandrahana izay ataony. Andaniny, izany no natao dia mba hialana amin’ny fitantarana fotsiny, ankilany asa siantifika no atao ka mila tetika sy fomba fiasa hentitra. Mialoha ny hilazalazana ny momba ny haitsikera anefa dia anisany zava-dehibe ihany koa ny fahafantarana ny lohahevitra goavana momba ny sehatra ikatrohana. Izao manaraka izao àry ny fanoritsoritana izany.

0.4.1. Famaritana ny tebo-kevitra: « anthropologie religieuse »

Ao amin’ny taranja antrôpôlôjia dia misy sehatra dimy ivelarany. Ao ny ny “Anthropologie Biologique”, “Anthropologie Préhistorique”, “Anthropologie Linguistique”, “Anthropologie Psychologique”, “Anthropologie Sociale et Culturelle”. Koa ao amin’ity farany dia ny “Anthropologie Sociale et Culturelle” no misy ny “Anthropologie religieuse”

Efa hatramin’ny taonjato faha XIX ity zana-taranja ity no nahazo laka teo amin’ireo mpandalina antrôpôlôgy tandrefana. Ny « anthropologie » moa dia tambateny izy io “ anthropos + logos” samy avy amin’ny fakan-teny latina :«Anthropos » izay midika hoe: « humain » na olombelona sy ny hoe : « Logos » kosa dia hoe: « étude » na fandalinana, fianarana.

10

Ny « religion »1 koa dia avy amin’ny teny latina: « religare » na « relier »2 mamerina mampifandray indray ny zavatra nisaraka na tapaka. Ny « religion »3 ihany koa araka izany dia fomba fifandraisana mijidina misy eo amin’ny olombelona sy ny zava-masina na Andriamanitra, ary fifandraisana marindrano kosa eo amin’ny olombelona lahy sy vavy izay mivondrona sy mifampizara fiainana ao anatin’ny antokom-pivavahana iray. Eto Madagasikara, misy maro ireo karazam-pivavahana. Ohatra ny finoana kristiana dia efa niditra teto hatramin’ny taona 1649 sy 1650 tany amin’ny tapany atsimo atsinanan’ny Nosy4, ao ihany koa ny fivavahana hafa tsy kristiana izay efa miely manerana ny Nosy. Ohatra ny silamo… Na eo aza ireo rehetra ireo dia mbola tsy latsa-danja ihany koa ny fankamamian’ny Malagasy ny fivavahan-drazany. Noho izany, ny atao hoe antrôpôlôjia mandalina finoana sy fivavahana5 « dia fandraisana ny finoana ho toy ny singa iray eo anivon’ny fiarahamonina iray, entanin’ny toe-tsaina manaja ny finoana samihafa misy fa indrindra tsy anaovana mizàna tsindriana ila ny fandalinana ka hanambaniana na hanamboniana ny sasany mihoatra ny hafa ».

Mazava àry fa ny « anthropologie religieuse » dia fandinihana ny olombelona eo amin’ny lafiny fivavahana. Zava-dehibe araka izany ity “sehatra” ity koa mila fahaizana mifehy ny saina, sy ny fihetseham-pon’ny mpandalina azy.

0.4.2. Ireo karazana teôria nampiasaina

Fitaovana iray tsy maintsy ilaina amin’ny asa fikarohana ny haitsikera satria maha siantifika ny vokatra azo. Mitari-dalana ny mpikaroka izy io amin’ny fahatratrarana ny tanjona. Araka izany, misy haitsikera roa no ampiharinay eto amin’ity asa fikarohana ity dia: ny haitsikera fônksiônalisma na “araka anjara asa”

1La littérature latine de l'Antiquité a transmis deux étymologies de religion : relegere signifiant « relire » et religare signifiant « relier ». 2C’est dans ce sens que le chrétiens Lactance (250-317), utilisant le verbe « religare », a mis l’accent sur l’intensité du lien qui rattache les fidèles à leur Dieu. 3« La religion est l’art d’établir des liens verticalement entre l’homme et les divins ou Dieu, horizontalement entre hommes et femmes qui partagent une même croyances religieuse » RP.RAKOTOMAMONJY Jean Débré, Anthropologie de la religion, cours du premier semetre2011- 2012, p.5 4 GIULIO(C), Christianisme et droit de l’homme à , Editions Karthala, 2008, p.80 5 RIVIERE (C), Socio- anthropologie des religions, 1997. Lesona taona faha4 niaraka tamin’i Prôfesora Ramatoa Lala RAHARINJANAHARY

11 izay mandalina faobe (approche globalisante) ny fiaraha-monina iray ka manaiky sy manaja ny fahasamihafana. Ny mpikaroka ngezalahy tamin’izany moa dia i MALINOWSKI. Hoy i LAPLANTINE milaza ny momba azy manao hoe: “I MALINOWSKI no namolavola ny teôria (ny fonksiônalisma) izay manana môdely amin’ny fandinihana ny zavaboary: ny olona dia manana filàna maro ao aminy, ary ny fomba tsirairay dia manana anjara asa mamaly an’ireo filana ireo.”6 Araka ny heviny ny fandinihina ny fiarahamonina iray dia tsy maintsy atao faobe. Izany hoe ny zava-mitranga amin’ny fiarahamonina dia dinihina ny fifandraisany amin’ny rafitra hafa rehetra misy.7 Ohatra, amin’ny joro fahan-jafy dia voafaoka ao ny rafi- pandaminana mijoro eo amin’ny fokontany, ny toe-karena, ny sôsialy: toy ny finoana, ny fanabeazana, ny fandriampahalemana... Samy hafa ireo ary samy manana ny anjara asany eo amin’ ny fiaraha-monina nefa mifandrohy avokoa. Koa ho an’i MALINOWSKI dia zava-dehibe ny fahalalana fa misy ny hafa izay tsy mitovy amin’ny tena. Tamin’ny alalan’ny firotsahana an-tsehatra teo anivon’ny fiaraha- monina no nahalalany izany. Ohatra, raha tany amin’ny Nosy Trobriand izy, nianatra ny fiteny, niaina tahaka ny mponina tany.8

Tamin’izay no nisintonany fomba fiasa fototra mamantatra sy miray volo amin’ny olona anaovana fanadihadiana. Ny foto-kevitra ijoroany dia ny fanajana ny fahasamihafana misy eo amin’ny hafa izay tsy mitovy amin’ny an’ny tena. Araka izany ny tsirairay samy manana ny maha izy azy. Izay ilay hoe “ notion de l’altérité”.

I Radcliffe-BROWN kosa dia anisan’ny nanatevina ity teôria ity araka ny filazan-dRAZAFINTSALAMA azy hoe:“ Araka ny voalaza, ny firafitry ny vatana no anoharan’i R.B. ny firafitry ny firahamonina. Marihiny anefa fa fitovitovian-javatra (analogie) ihany izany fa tsy tena fitoviana (identité). Noho izany dia zavatra roa no tsy maintsy jerena dia: “ ny fandinihina ny firafitry ny vatana sy ny fandinihina ny

6 LAPLANTINE(F), L’Anthropologie, Editions Seghers, Paris, 1987, p.78 « MALINOWSKI élabore une théorie (le fonctionalisme) qui emprunte son modèle aux sciences de la nature : l’individu éprouve un certain nombre de besoins, et chaque culture a précisment pour fonction de satisfaire à sa manière ces besoins fondamentaux. » 7 Leçon 4è avec Mme Professeur RAHARINJANAHARY Lala 8 LAPLANTINE(F), op.cit, p.76

12 andraikitry ny ratsam-batana sy ny taova.”.9 Ohatra amin’ny fahan-jafy dia misy rafitra ity fomba ity, manana ihany koa ny anjara asany.

Ankoatra izany, ampiasanay etoana koa ny fomba fijery antrôpôlôjia baikoin’ny hetsika na anthropologie dynamique. I Georges BALANDIER no nahita ity haitsikera ity, izay nampiharina indrindra tao amin’ny kaontinanta afrikana. Araka izany, io fomba fijery io dia mijoro amin’ny foto-kevitra hoe: “andaniny mihetsika hatrany ny fiarahamonina, ary ankilany, dia tsy mionona amin’ny teny sy fanambarana ôfisialy ny mpandinika fa tsy maintsy mitsikera ny hevitra ao ambadik’izay voalaza. Misy araka izany ny fahalalana ny tantaran’ilay fiaraha- monina,( ny fomba fahan-jafy) sy ny fiovana ao aminy.10

Araka izany, misy roa ny fitrangan’ny hetsika na dynamique :

Ny hetsika avy ety ivelan’ny fiaraha-monina izay mety mitondra ny fiovana, ohatra ny finoana kristianina sasantsasany izay tsy mankasitraka firy ny fanatanterahana ny fomba amam-panao, manasokajy azy ireny ho fanompoan- tsampy, ny fidiran’ny sarimihetsika isan-karazany tsy misy sivana... Manaraka izany, misy koa ny hetsika ao anatin’ny fiarahamonina, singanina amin’izany ny ankohonana: ny olan’ny mpivady tsy mifanara-tsaina, ny faharavan’ny tokantrano, ny ankizy tsy mianatra, ny tsy fahampiana, ny ady lova eo anivon’ny fianakaviana... Izay rehetra voatanisa teo ambony izay dia manova ny fiainam-piarahamonina. . 0.5. Ny fomba fiasa Vao nanomboka nianatra teto amin’ny ENS izahay dia efa nanolotra boky vakina ireo mpampianatra tsirairay avy. Nitombo hatrany izany talohan’ ny asa fikarohana, ary eo am-pandrafetana ny asa aza ny tenanay dia mbola mamaky boky hatrany. Tsy azo atao mantsy ny mitompo tena ho ampy fahalalana. Noho izany tsy maintsy mila ny famakiana ireo boky efa vitan’ireo mpandalina teo aloha momba ny zavatra rehetra tsara ho fantatra manodidina ny asa fikarohana izay atao. Izany no natao dia mba tsy hilazana fa ny mpikaroka vaovao no mahita ny hevitra rehetra. Natao koa izany mba hahalalana ny efa hitan’ ireo mpandinika teo aloha ary

9 RAZAFINTSALAMA(A), Boky I : Ny fiaraha-monina Ntaolo, Tsaramasoandro, Tananarive, mai 1975, p.87-88 10 Lesona taona fahaefatra Pr. RAHARINJANAHARY

13 hamenoana izay tsy mbola voalaza. Manampy ny boky dia teo ny hevitra nalaina tamin’ny aterineto, tamin’ ny fanaraham-baovao amin’ny haino aman-jery, ny gazety. Ny tanjona dia mba haha siantifika ny asa sy mba hahatomombana azy tsara.

Ity sehatra izay anaovanay fikarohana ity dia tsy ampy raha toa ka ny vaky boky fotsiny no entina handrafetana ny asa. Nampiharinay ny fomba fiasan’i MALINOWSKI dia ny firotsahana an-tsehatra ombana fandraisana anjara”observation participante”. Nidina tany Ambodivoara izahay ny volana may sy jona 2014. Nitoetra andro maromaro tao Andriamena ihany koa izay anisan’ny toerana manan-tantara ho an’ny foko Marofotsy ny volana janoary 2015. Tamin’izany dia nisy ny fihaonanay tamin’ireo sokajin’olona maro tany an-toerana. Andaniny nisy ny fihaonana tamin’ireo mpitondra isan-tsokajiny tao amin’ny kaominina, ny fokontany ny mpiasa tao amin’ny CSBII, ny mpampianatra tao amin’ny EPP Ambodivoara, ny mpitondra fivavahana ary ny mpimasy. Ny natao tamin’izany dia ny fanangonana ny antontanisa. Teo koa araka izany, ny fitetezana ny tokantrano miisa teo amin’ny 170 tafo tao Ambodivoara. Tamin’izany no nitafatafana tamina sokajin’olona maro: ny zokiolona, ny raim-pianakaviana, ny renim-pianakaviana, ireo tovovavy sy tovolahy mpitovo, ny zafikely.11

Ny antony moa dia mba ho hevitra maro loko avy amin’ny mponina tompon’ny fomba amam-panao no haseho etoana. Nisy araka izany fifaneraserana akaiky tamin’ny vahoaka. I EVANS PITCHARD12 moa manantitrantitra izany nanao hoe: “ Ny antrôpôlôgy dia tsy maintsy vonona handany fotoana lava mandritra ny fotoana irotsahany an-tsehatra tsy maintsy mifandray akaiky sy maharitra miaraka amin’ny mponina izay iasany izy”. Aseho amin’ny fafana any amin’ny tovana ny antontanisan’ireo olona nanaovanay ny fanadihadiana.

11 In Tovana p.xii 12 EVANS PRITCHARD(E), Anthropologie sociale, Edition Payot Paris, 1969, tak. 79 : « L’Anthropologue doit être prêt à passer beaucoup de temps sur son enquête, il doit rester en contact étroit et permanent avec les populations sur lesquelles il travaille. »

14

0.6. Ireo mpamaky lay

Fantatra tamin’ny vaky boky izay natao fa nisy maromaro ihany ireo mpialoha lalana tamin’ny asa fikarohana andaniny, tao amin’ny distrikan’i Tsaratanàna izay misy ny foko Marofotsy, ankilany momba ny fahan-jaza izay, fomban-drazana hita tany amin’ny foko Antemoro, koa tsara ny manatsidika izany etoana na foko samy hafa aza.

I DECARY Raymond sy ROLLAND Barq:13: dia samy milazalaza ny toerana misy ny Marofotsy eto Madagasikara. Fantatra tamin’izany ny loharano niavian’ny Marofotsy. Nambaran’i DECARY fa efa adihevitra hatry ny ela ny momba ny fanasokajiana ny foko Marofotsy.14Ity faharoa kosa moa dia misiônera katôlika, koa fifampizarana ny fomba fahitany ny fiainan’ny Marofotsy indrindra ny finoana kristianina no nasongadiny tamin’ny lahatsorany.

I GIRAUD Pierre15: Nandinika ny mombamomba ireo karazana nofon-tany misy tao amin’ny faritra Andriamena. Lazainy ao ny harena an-kibon-tany ananany toy: ny krômita sy ny volamena. Ambarany ao anatin’ny ny asany koa ireo karazana nofon-tany sy ny firafiny ary ny singa rehetra hita ao anatiny.

RANDRIAMAMONJY Frédéric16 sy RANDRIANJA Solofo17: dia samy milazalaza ny momba ny tantaran’ny Marofotsy, ny fankatoavan-dRadama an’io foko io sy ny fitiavany azy manokana.

I MAROVAVY 18Isabelle kosa indray no nanao ny asa fikarohana momba ny fafy zaza

Inona kosa àry ireo olana izay nifanehatra taminay nandritra ny fanatontosana ny asa fikarohana? Ahoana ny fihetsika sy ny fomba niatrehanay izany?

13 ROLLAND(B), Notice sur la mission d’Andriamena, 22 Octobre 1954, Tov p.i-iii 14 DECARY (R), Les Marofotsy Coutumes et Croyances, imprimerie Moderne de l’Emyrne Tananarive, 1948, tak.2 « on a longtemps discuté sur le classement ethnique des Marofotsy » 15 GIRAUD(P), Les Roches basiques de la région d’Andriamena à Madagascar et leur minéralisation chromifère, thèse de doctorat, Université de Clérmont, science, 1958 16RANDRIAMAMONJY Frédéric, Tantaran’i Madagasikara isam-paritra, Trano Printy Fiangonana Loterana Malagasy, Antananarivo, 2006. Tak. 17 RANDRIANJA(S), Madagascar : ethnies et Ethnicité, imprint Dakar, Sénégal, 2004, 307p. 18 MAROVAVY Isabelle, Ny fafy zaza any amin’ny Antemoro, CAPEN, Antanarivo, 2005

15

0.7. Ny olana nosedraina sy ny vahaolana noraisina

Hoy ny fitenenana hoe: “ tsy misy mafy tsy laitry ny zoto”. Nisy tokoa ny olana natrehinay tamin’ny firotsahana an-tsehatra. Toy izao ny santionany tamin’izany: voalohany, avy amin’ny tenanay manokana. Nitondra entana mavesatra nefa tsy nanafatra sarety mialoha mba hitsena teo amin’ny garan- tsarety kanjo tsy nisy ka nangaina teo fotsiny. Ny lalana diavina anefa mirefy 75km miala ny godorao RN33, vao tonga any Ambodivoara.

Faharoa, avy amin’ny trangam-piainana tao an-tanàna. Revo tamin’ny fijinjana vary ny olona ny volana may sy jona. Namboly indray koa ry zareo ny desambra sy janoary. Noho izany tsy tratra an-trano firy ny olona raha tsy amin’ny andro fady: talata sy alakamisy.

Ankoatra izany, ny firesahana tamin’ireo zokiolona sasantsasany izay mahay sy mahafehy ity joro fahan-jafy ity dia nanano sarotra anay. Tsy nanome valiny anay izy ireo satria fantany ny tenanay fa efa nisintaka tamin’ny fomban’ny fiarahamonina any an-toerana. Izao no valin-teny nomeny tamin’izany:“Koa io joro io toy ny anareo ihany tsy ataotao foana sy tsy azo antsointsoina foana ny Zanahary sy Andriamanitra ary ny Razana raha tsy misy antony lehibe, koa tsy afaka manome valiny mazava ho anao aho”. Tsapanay tao anatin’izany, fa manaja ny fombany izy ary tsy te hisokatra firy amin’ny hafa noho izy na dia zana-tany tao aza ny tenanay.

Manampy izany, lasa resa-be indrindra tamin’ireo kristianina hafa toy ny FJKM ny fahitana anay mifandray sy mifanerasera tamin’ny mpimasy, ny mpanao sikidy.

Nanoloana izay sakana rehetra izay dia tsy niraviravy tanana izahay fa tsy maintsy nikaro-bahaolana hatrany. Nandeha tongotra namakivaky lohasaha sy tendrombohitra ary nitsaka ny reniranon’i Mahajamba. Nohosorana menaka mafana ny tongotra nivonto.

Tamin’ny fanaovana ny fanadihadiana tao an-tanàna indray dia nohararaotinay ny andro fady nanatratrarana ny olona tao an-tranony. Tsy maintsy natao ihany koa ny mamangivangy ny tokantrano sasantsasany amin’ny fotoanan’ny takariva eo amorom-patana izay ivorian’ ny mpianakavy. Teo anatrehan’ireo zokiolona tsy nanome hevitra mazava dia tsy azo terena ny olona, amin’ny

16 famoahany ny heviny ka nitady olona hafa mpanelanelana izahay nanangona ny hevitra. Ny resaka sy ny esoeso etsy sy eroa teo amin’ireo vehivavy tao an-tanàna dia noraisina an-kafaliana. Tsy misy ifanomezan-tsiny ny fiainana. Noho izany, naleonay nangina nanaja tena.

0.8. Ny fetran’ny asa

Tianay ny haneho hevitra maro momba ity asa fikarohana ity amin’ny antsipiriany. Nefa voafetra ny fotoana. Tsy noho ny antony avy aminay izany fa miankina amin’ny rafi-pampianaran’ny fanjakana. Koa izay tsy maintsy nataonay ihany no notanterahinay. Noho izany, tsy maintsy noferana ny toerana sy ny lohahevitra nanaovana ny asa fikarohana. Nefa na izany aza dia ezahinay ny haneho ny tokony ho fantatra momba ity fomba amam-panao ity amin’ny fandalinana izay kely niainanay sy ny hitanay maso.

0.9. Ny drafitra

Tsy maintsy apetraka ny drafitra mazava mba hampirindrana ny asa fanadihadiana. Misy fizarana telo lehibe araka izany ny asanay ka toy izao manaraka izao izany:

Ao amin’ny fizarana voalohany no hampahafantarana momba ny foko Marofotsy, fokontany Ambodivoara, ny distrikan’i Tsaratanàna. Misy toko roa resahina amin’izany dia:

Ny fampahafantarana ny lafiny ara-jeôgrafia ny toerana izay ifotorana amin’ny fanadihadiana, ao ihany koa ny momba ny tantaran’ny foko Marofotsy, ny tanànan’Ambodivoara. Asongadina ao amin’ity fizarana ity ihany koa ny resaka fiainam-piarahamonina any an-toerana.

Ny antony mantsy dia misy fifandrohizana hatrany amin’ny fomba amam- panaon’ny mponina ny tontolo manodidina azy sy ny tantaram-piainany. Ohatra: ara- tantara, ara-toe-karena...

Ny fizarana faharoa kosa no hanehoana ny fizotry ny fanatanterahana ny fahan-jafy. Lazaina amin’ny izany ny fanoritsoritana ny fahan-jafy: ny foto-kevitra ijoroany sy ny zava-kendreny. Aseho ao ihany koa ireo dingana telo lehibe hita

17 misongadina amin’ny lanonana dia: ny fanomanana, ny fanatontosana, ny famaranana.

Ao amin’ny fizarana fahatelo farany dia ny fandalinana ny lanjan’ny fahan- jafy eo amin’ny fiarahamonina. Ato anatin’ity fizarana farany ity no hamahavahana ny hevitra raketin’ity fomba ity. Anisany amin’izany ny fampahafantarana ny sandan’ny fitaovana nampiasaina, ny toerana, ny fotoana. Aseho ato ihany koa ny olana mianjady amin’ny mponina ka misy akony eo amin’ny fanatontosana fomban- drazana. Amin’ny toko farany amin’ity fizarana fahatelo ity koa no misy soso-kevitra atsipy hoenti-manatsara ny fiainam-bahoaka any an-toerana.

18

FIZARANA VOALOHANY NY FAMPAHAFANTARANA, NY TOERANA HANAOVANA FIKAROHANA, NY FOKO MAROFOTSY

19

Saritany 1 : MANEHO NY FARITRA 22 ETO MADAGASIKARA

20

1.1. FAMARIPARITANA JEÔGRAFIKA

Zava-dehibe ny fahampahafantarana ny toerana izay hanaovana ny fikarohana satria anisany manampy amin’ny fahalalana ny zava-misy iainan’ny mponina. Ohatra ny olana iainany, ny filàny... Izany no antony hitondranay ny momba azy eto amin’ny fanombohana ny asa.

1.1.1. Ny faritra Betsiboka

Saritany 2: MANEHO NY FARITRA BETSIBOKA

Loharano : Region Betsiboka

Ao amin’ny tapany avaratra andrefan’i Madagasikara ny faritra Betsiboka. Iray amin’ireo faritra 22 misy eto Madagasikara izy. Ireto avy ireo faritra manodidina azy:

 Ao andrefana ny faritr’i Melaky  Avaratra atsinana ny faritra Sofia  Atsinana ny faritra Alaotra- Mangoro  Atsimo ny faritra Analamanga sy Bongolava

21

Manana velarana 30 025 km² sy mponina miisa eo ho eo amin’ny 236 50019 tamin’ny taona 2004 ny faritra Betsiboka. Maevatanàna no renivohiny izay mirefy eo amin’ny 235km miala avy eto Tananarivo no misy azy. Misy distrika telo ao anatin’ity faritra ity dia: , , Tsaratanàna. Ity farany no ahitana ny kaominina Keliloha izay misy ny ny fokontanin’Ambodivoara izay ifotorana amin’ny asa fikarohana.

1.1.1.1. Ny distrika Tsaratanàna

Ao amin’ny tapany atsimo atsinanan’ny faritra Betsiboka no ahitana ny distrika Tsaratanàna. Raha avy aty Antananarivo dia manaraka ny RN4. Eo amin’ny tanàna kely antsoina hoe: “croisement” 8km mialohan’ny miditra ny tetezan’i Kamoro no mivily miankavanana mankany Tsaratanàna. Lalan-tany mirefy 98km miala avy eo no misy azy. Mirefy 523km ny halavirany raha avy eto Antananarivo. 236km20kosa raha tsipy tora-tady. Manana velaran-tany 14.700km²21ny distrika Tsaratanàna. Ireto avy ireo distrika mamaritra azy:

Avy ao andrefana ny distrika Maevatanàna(faritra Betsiboka)

 Ao atsimo ny distrika Anjozorobe (faritra Analamanga)  Ao avaratra ny distrika Mampikony (faritra Sofia)  Ao atsinanana ny distrika Andilamena sy Amparafaravola.(faritra Alaotra Mangoro) Ireto kosa ny kaominina mandrafitra ny distrikan’ i Tsaratanàna: Ambakireny, Andriamena, Ampandrana, , , , Keliloha, Manakana, , Sakoamadinika, Tsararova.

19 http://fr.wikipedia.org:wiki/Betsiboka_%28r%C3%A9gio%29

20 Google earth, 14aout 2014 à 10h du matin 21Ministère de l’Agriculture, de l’Elevage et de la pêche, Direction du marketing et des études économiques, service de la statistique agricole

22

Saritany 3: MANEHO NY DISTRIKAN’I

SAROBARATRA

TSARAROVA

BEKAPAIKA

TSARATANANA

BETRANDRAKA SAKOMADINIKA

KELILOHA ANDRIAMENA AMPANDRANA

BRIEVILLE

AMBAKIRENY

MANAKANA

Loharano: Plan de développement du District de Tsaratanana

23

Marihina fa ny mponina ao amin’ity distrika ity no antsoina hoe MAROFOTSY. Izay ny momba ny distrika Tsaratanàna. Izao manaraka izao kosa dia hijery ny kaominina Keliloha, izay misy ny fokotanin’Ambodivoara

1.1.1.2. Ny kaominina Keliloha

Ao amin’ny tapany atsimon’ny distrika Tsaratanàna no misy ny kaominina Keliloha. Mirefy 137km22 ny elanelana mampisaraka azy amin’i Tsaratanàna. Manana velarana157km²23izy. Miisa 8000 eo ho eo ny mponina ao aminy, araka ny filazan’ny Ben’ny tanàna ao. Ahitana fokontany 9 ny kaominina Keliloha dia: Ambatomitsangana, Ambodivoara, Ankisatra, Ambanja, Amparihitsiritra, Ampasiria, Ambatomandondona, Tsaravoatra. Saika dia an- tongotra sy sarety no fitaovam- pifamoivoizan’ny mponina. Keliloha renivohitry ny kaominina no ahitana toeram- pitsaboana C.S.B.II. Ao amin’ny fokontanin’Ankisatra no be mponina indrindra sady ao no misy CEG. Izay marihina fa, noho ny fiaraha-mientan’ny ray aman-dreny no nahavitana ny fananganana izany trano fianarana izany. Ao Ankisatra no misy ny tobin’ny zandarimaria. Ireto avy kosa ireo kaominina manodidina ny kaominina Keliloha :

 ao avaratra ny kaominina Betrandraka,  ao atsimo andrefana Andriamena,  ao atsinanana misy roa dia Ampandrana sy Sakoamadinika,  ary ao atsimo i Brieville sy Ambakireny.

22Ministère de l’Agriculture, de l’Elevage et de la pêche, Direction du marketing et des études économiques, service de la statistique agricole 23 Ministère de l’Agiculture, op. cit,

24

Saritany 4: MANEHO NY KAOMININA KELILOHA

25

Izay ny momba ireo toerana tsara ho fantatra. Izao kosa dia hijery ny momba an’Ambodivoara izay tanàna nanaovana ny asa fikarohana. 1.1.2. Ny fokontany Ambodivoara

Iray amin’ireo fokontany ao anatin’ny kaominina Keliloha i Ambodivoara. Mirefy 139km ny elanelany amin’ i Tsaratanàna. Raha avy any Ambatondrazaka indray dia 159km izany. Tsy mifanalavitra ny renivohitry ny kaominina i Ambodivoara, 2km mizotra mianatsimo ny elanelany. Manana velaran-tany 9km² 24izy. Tanàna miorina amin’ny banja malalaka Ambodivoara, ary voadidina rano madinidinika dia:

- Ao atsimo sy atsinana i Tsimalahy

- Ao andrefana i Vavaranobe

- Ao avaratra Antsohihy sy Bendrarezina.

Sary 1: Tanànan’AMBODIVOARA

Naka ny sary: Lyve Michaelà, 11/01/15

1.1.2.1 Ny toe-tany sy ny toetry ny andro

Anisan’ny singa iray mifaningotra amin’ny fiainan’ny olona ny toe-tany sy ny toetry ny andro eo amin’ny faritra misy azy. Fantatra ihany koa anefa fa mifampiankina hatrany izy roa ireo na dia tsy sahala aza.

24 Ministère de l’Agriculture, op, cit

26

Raha ny toe-tany ao amin’ny distrika Tsaratanàna no atao indray mitopy maso dia ny tany miloko mena no mibahan-toerana. Rehefa jerena akaiky dia ahitana karazana loko hafa. Ohatra ny mainty, ny malandy (fotsy)…izay hita eny an- dohasaha sy amin’ny baiboho25 ary eny amin’ny tevana. Ny manodidina ny tanàn’Ambodivoara dia hita misongadina ny havoana feno lavadavaka. Efa nomarihin’i GIRAUD izany tamin’ny fanadihadiana nataony momba ny toe-tany tamin’iny faritra Andriamena sy Tsaratanàna iny. Izao no filazany azy hoe: “Vohontany voakaokan’ny riaka, ahitana koa lembalemba rakotry ny bozaka sady efitreferin’ny lian-drano kely, nefa lalina”. 26

Momba ny toetry ny andro indray dia fantatra fa mizara roa miavaka tsara izany. Mirotsaka ny orana ny volana ôktôbra ka hatramin’ny volana avril. Betsaka ny rotsak’orana 335,10mm ny volana desambra sy ny janoary. Izany no fotoam- pahavaratra. Mitsahatra kosa ny orana ny volana mai 00mm. Manomboka amin’izany ny maintany. Mizara roa miavaka tsara koa ny maintany: ny fotoanan’ny ririnina izay manomboka ny volana mai ka hatramin’ny septembra. Mahatratra hatramin’ny13,9°C ny mari-pana ambany indrindra. Ny fotoana mafana kosa eo amin’ny septembra ka hatramin’ny avril, ka 32°C ny mari-pana ambony indrindra ny volana ôktôbra. Matetika eo ihany koa no ritra avokoa ny renirano madinidinika any an-toerana.

Tsara ny manamarika fa rehefa fotoam-pahavaratra dia mando sady lonaka ny tany. Noho izany betsaka ny tany kaohin’ny riaka ka lasa lavadavaka ny mameno ny tanety. Ny lohasaha, ny baiboho sy ny tanimbary dia efa maro no tototry ny tain’atsanga. Mifanohitra amin’ny izany kosa ny zava-misy amin’ny maintany. Mafy ary tena ngazana ny tany. Mandoro ny hafanana. Tsapan’ny mponina any an-toerana fa miova ny toetry ny andro amin’ny vanim-potoana ankehitriny.

25 Baibo (Skl): Tanimboly voasafotry ny rano amin’ny fahavaratra. RAJEMISA, Rakibolana Malagasy, Tak.136 26 GIRAUD (P), op. Cit, « c’est une pénéplaine profondement latérisée et érodée, couverte de prairies et déchiquetée par un chevelu hydrographique ».

27

Fafana 01: Ny toetr’andro ao Ambodivoara27

JAN FEV MAR AVR MAI JUN JUL AOU SEP OCT NOV DEC

Pluies 253.4 310.9 237.7 67.3 0.0 0.0 0.0 0.0 0.0 69.4 140.3 335.1

Nb jours 14 23 13 3 0 0 0 0 0 4 18 20

T° Max 29.0 29.9 30.0 30.1 29.6 27.6 26.8 26.6 29.3 32.0 32.0 30.6

T° Min 19.7 20.4 19.9 18.6 16.4 15.4 14.0 13.9 14.6 17.3 19.2 19.6

Météorologie Ampandrianomby, 14 Aout 2014

1.1.2.2. Ny zava-maniry sy ny renirano

Mifampiankina hatrany amin’ ny toe-tany sy ny toetry ny andro ny zava- maniry hita ao amin’ny faritra iray. Amin’ny ankapobeny dia mbola ny ala voajanahary no manjaka any an-toerana. Hita indrindra izany manamorona ny renirano sy any an-dohasaha rehetra. Marihina anefa tsy misy hazo vaventy intsony amin’izany sady efa mihamanify hatrany. Ny karazana hazo maro sisa any moa dia: ny manga, ny Voara “Ficus pachyclada Baker”28, ny Madiro “Caesalpiniacées”29, ny Mokonazy “Dombeya greveana”,30 ny Rotra “Myrtacées”31, ary ny Sakoana “Popartia caffra”32.

27http://www.entfernungsrechner.net/fr/distance/city/1070940/city/1055059

28 PIERRE Boiteau, Marthe Boiteau, Lucile Allorge-Boiteau, Dictionnaire des noms malgaches de végétaux, Editions Alzieu, 1999, p.410 29 IDEM, p.349 30 IDEM, p.34 31 IDEM, p.242 32 IDEM, p.266

28

Feno hazo madinidinika ihany koa manamorona ny renirano. Ny toerana taza- maso dia rakotra bozaka isan-karazany.

Marihina fa efa namboly kininina ny olona any an-toerana hatramin’ny taona 2000 saingy tsapa fa tsy ampy fikarakarana izany. Ohatra tsy misy ny fiarovana azy amin’ ny doro tanety izay mbola mahazo vahana any an-toerana na dia efa mba manao ezaka miady amin’izany aza ny mpitondra. Misy maro ireo kininina may kilan’ny afo.

Izay ny momba ny zava-maniry, izao dia hojerena manaraka ny momba ireo renirano. Amin’ny fotoam-pahavaratra dia lalina ny rano sady misy voay. Mila fahamalinana izany. Rehefa maintany kosa dia ritra tanteraka izany afa-tsy i Tsimahalahy. Izy no renirano iveloman’ny mponina ao an-tanàna. Mirefy 29km33ny halavany vao mihaona amin’ny reniranon’i Mahajamba izy.

Sary 2 : Ny reniranon’i TSIMAHALAHY

Naka ny sary: Lyve Michaelà

Raha izay ny lafiny ara-jeôgrafia dia tsara koa ny mahalala ny tantara satria anisan’ny singa manan-danja eo amin’ny fiainanan’ny mponina dinihina izany.

33Ministère de l’Agriculture, de l’Elevage et de la pêche, Direction du marketing et des études économiques, service de la statistique agricole

29

Hojerena voalohany ny tantaran’ny Marofotsy, ny faharoa kosa ny momba an’Ambodivoara.

1.2. Ny tantara

Toy ny tondroavaratra enti-mitarika ny lalan- kizorana ny tantara. Azo lazaina fa mandeha anjambany ihany ny olona izay tsy mahalala ny tantarany: na tantaram- piainany manokana izany na ny zava-nisy teo amin’ny fiainam-pireneny, indrindra moa ny faritra onenany.

Sary 3: Ny tsangam-baton-dRABEZAVANA

Naka ny sary : Lyve Michaelà

Ny tantara dia mipetraka. Rehefa miresaka Marofotsy dia ao an-tsaina avy hatrany ilay mpitarika ny Menalamba. Mahery fon’ ny firenena malagasy ny taona 1896 dia RABEZAVANA. Toy izao no lazain’i RASOANASY momba azy: “Tany amin’ny faritanin’Andriamena dia nisy foko Marofotsy, [...].

30

Avy amin’io foko Marofotsy io RABEZAVANA- RAVAIKAFO, ary tena lehilahy nafana fo tokoa sady mpanoa ny tenin’andriana.”34

1.2.1. Ny foko Marofotsy

Tsara aloha ny mamaritra ny atao hoe foko ety am-piandohan’ny tantara. Azo lazaina fa ny voalazan-dRAZAFINTSALAMA no hitanay fa mifandray akaiky kokoa ny momba ny tantaran’ny Marofotsy. Izao no filazany azy hoe: “ FOKO- clan- antokom-pihavanana mitonon-tena ho iray Razambe nihaviana, saingy tsy afa- mitantara tetiarana azo antoka mipàka hatrany amin’io Razambe io.”35

1.2.1.1. Ny fiavian’ny Marofotsy

Voalaza tany aloha fa efa nisy ireo mpandalina nialoha lalana. Nisy araka izany, eo andaniny ny hevitra notovozinay tamin’izy ireo, etsy ankilany koa ny nangoninay tany an-toerana.

Ny hevitr’ireo mpamaky lay Izao no nambaran’i DECARY: tamin’ny taonjato faha 19 dia mbola tsy nisy olona nipetraka ny faritra Tsaratanàna. Ary tany ho any amin’ny taona 1745 no nanomboka tonga nandositra an’i La BIGORNE tany ny Sihanaka. Tamin’ny fanjakan’Andrianampoinimerina (1787-1810) no nahatongavan’ny Manendy avy tany Imerina36. Manamafy izany ny fitantaran’ny mompera ROLLAND Barq azy hoe: “Ny Marofotsy dia avy tamin’ny fifangaroan’ny foko Merina, ny Sihanaka, ny Sakalava.” 37RANDRIANJA Solofo dia niezaka nanadihady fatratra ny momba ny Marofotsy. Nambarany fa tamin’ny taona 1820 no nidiran-dRADAMA I tao amin’ny Marofotsy. Nanana fitiavana manokana ity foko ity ny mpanjaka RADAMA I. Andevo ireo Marofotsy fa nakariny saranga ho olompotsy. Tateriny ao ny tenin- dRADAMA I momba izany dia hoe:“Tahaka ireo izay mpanara-dia ahy ambaniandro

34 RASOANASY(J), Ny lasan’I Madagasikara, Menalamba sy Tanindrazana, Trano printy Loterana, 1976, p.89 35RAZAFINTSALAMA (A), Famotorana fomban-drazana, edisiona Antananarivo, mai 1975, p.18 36 DECARY (R), Les Marofotsy Coutumes et Croyances, p.2 “La region de Tsaratanàna était inhabitée jusqu’au milieu du XVII siècle. Vers 1745, quelques esclaves Sihanaka allèrent s’y réfugier lors de l’expédition de LA BIGORNE; Puis, sous le règne d’Andrianompoinimerina (1787-1810), arrivèrent en grand nombre les Manendy, originaires de l’Imerina. 37 ROLLAND (B), Le Marofotsy “Les Marofotsy sont issus d’un mélange de Merina, de Sihanaka, et de Sakalava.”, in Tovana, p.i

31 hatramin’ny andron’ Andrianampoinimerina, voarara ny manao ny Marofotsy ho andevo.38 Nolazain’ity mpandalina tantara ity ihany koa ny nametrahan-dRADAMA I ny ombiny amin’ny Marofotsy. Nisy ny tsangam-bato nataon’ity mpanjaka ity tao Ambodiamontana (Ankibonitany) kaominina Andriamena ankehitriny. Fanekena fiaraha-miasa izany, porofo nanehoana ihany koa ny famitranam-pihavanana. Hatramin’izay dia nahazo vahana tany an-toerana ny Merina.

Izao manaraka izao indray kosa ny fomba filazan’ireo zokiolona tany an- toerana

Ireo hevitry ny tompom-piarahamonina Tsara ny manamarika fa efa vitsy ireo zokiolona any an-toerana, mahalala ny tantaran’ny foko Marofotsy. Midadasika raha teo koa moa ny distrika Tsaratanàna izay misy ity foko ity. Manampy trotraka izany, ny tsy fisian’ny fitaovam- pifamoivoizana. Sarety sy dia an- tongotra no miasa rehefa mifindra toerana, ny tany anefa tsy ampy filaminana. Maro koa ireo toerana tsy mbola rakotra zotram- pifandraisana an-tariby sady tamba-jotra iray ihany no tena mahazo vahana any dia ny “orange”. Noho izany antony rehetra izany, dia kaominina roa (Andriamena sy i Keliloha) ihany no nanaovanay ny fanadihadiana momba ny tantaran’ny Marofotsy. Mirefy 36km ny halaviran’ireo kaominina roa ireo. Koa ny tangalamena avy hatrany no novenjenay. Ny hevitra avy amin’izy ireo no iainganay etoana.

Izao ny nambaran- dRAKOTOARIVELO Patrice 85taona, tangalamena ao Andriamena: “ Tamin’ny andron’ny mpanjaka RADAMA rainy hono, rehefa azony ny faritra Tsaratanàna dia napetrany taty ny ombiny miloko fotsy. Izany no nahatonga ny hoe: “Marofotsy”. Mpiandry ombin’Andriana izany ny olona tety. Fa araka ny fantatra dia ny Sakalava no tena tompon-tany taloha taty. Ny olona tena nalaza tety dia RABEZAVANA. Mahery fo sady mpimasy mahay izy. Ingahibe RANDREMA no zanany nandova azy, sady nanaraka azy tany an-tsesitany tany an- dafy. Ireo mbola eto ireo ny taranany, ny fasan-drazany koa moa dia io atsimo tanàna io.”

38 RANDRIANJA (S), op, cit, p. 89 “ De même tous les fidèles ambaniandro depuis Andrianampoinimerina, il était interdit de réduire les Marofotsy à l’état d’esclaves. »

32

Toy izao ny filazan-dRATOLOJANAHARY 95 taona azy, tangalamena ao Keliloha: “Ny Marofotsy dia tsy foko fa lokon’omby izy io ka lasa raikitra iantsoana ny olona taty amin’ity distrikan’i Tsaratanàna ity. Ny olona taty taloha dia Sakalava porofo io andrefan-tanàna io ny fasan-dry zareo. Tafara izay vao tonga ny Merina avy ao amin’ny faritra Anjozorobe, Ambohimandroso.

Nanaraka izany, tonga ny Sihanaka, ny Tanosimboahangy. Ankehitriny izao dia efa benahoana tsy misy foko izay tsy hita ety intsony”

Raha aravona izay voalaza rehetra teo aloha dia mazava fa fitambarana foko maromaro ny niavian’ny foko Marofotsy dia: ny Sakalava, ny Merina, ny Sihanaka. Fantatra koa anefa fa samy hafa volon-koditra sy volon-doha ny olona any amin’iny faritra Tsaratanàna iny. Ohatra ny olona ao amin’ny kaominina Manakana izay mifanakaiky amin’Anjozorobe dia miharihary avy hatrany fa Merina, na amin’ny endrika izany na ny fomba fitafy. Hafa kosa ny olona amin’ny kaominina Keliloha mianavaratra, mainty fihodirana sady ngitangita volo. Koa na ny fomba fitafy sy fanao aza dia efa manakaiky kokoa ny amin’ny foko Sakalava. Ohatra eo amin’ny fitafy na ny lehilahy na ny vehivavy dia tsy miala ny lambahoany.

1.2.1.2. Ny fivoarany

Saika efa hita any amin’ny Marofotsy avokoa ny foko rehetra misy manerana ny Nosy. Maro ireo mpifindra monina tonga any an-toerana. Ankoatra ny Malagasy efa misy koa ireo vahiny. Ny Karana no efa ela indrindra tamin’izany, ny Sinoa vao nanomboka tonga tsikelikely ny taona 2000 no mankaty. Marihina fa tsy mbola nanorim-ponena fa nitrandraka volamena izy ireo dia lasa. Tamin’ny fotoana nanaovanay ny fikarohana ny volana jona 2014 dia efa any koa ny Afrikanina tatsimo noho ny resaka fitrandrahana vatosoa sy volamena.

1.2.1.3. Ny olana misy any amin’ny Marofotsy

Tahaka ny faritra maro manerana an’i Madagasikara dia manana olana maro ny Marofotsy. Andaniny misy ny efa voajanahary ohatra ny lafiny ara-jeôgrafia. Rakotra havoana ny distrika Tsaratanàna, eo ihany koa ireo renirano lehibe toy: Mahajamba, Betsiboka, Kamoro, Tsilaninarivo...Noho izany, sarotra ny fidirana ao aminy. Tsy misy lalana mba vita godorao ao anatin’ny distrika afa-tsy avy any Alaotra Mangoro mankany Brieville. Izany aza dia efa hatramin’ny fanjanahan-tany.

33

Koa dia ny sarety, ny filanjana, ny môtô ary ny dia tongotra no mba fitaovam- pifamoivoizana. Talohan’ny taona 2000 no nisy fiaramanidina mampitohy an’i Tsaratanàna sy Andriamena ary Antanànarivo. Foana tanteraka izany satria tsy misy mpandeha. Ankilany eo amin’ny lafiny famokarana indray, malalaka ny velaran-tany azo volena fa miandry rotsak’orana hatrany vao afaka mamboly ny mponina. Eo amin’ny fiompiana omby indray dia anisan’ny faritra mena amin’ny asan-dahalo ny distrikan’ i Tsaratanàna. Mihena araka izany ny omby. Izay ny mombamomba ny tantaran’ny Marofotsy. Ny hojerena manaraka dia ny tantaran’Ambodivoara.

1.2.2. Ny niorenan’ny tanànan’Ambodivoara

Marihina ety am-piandohana fa tsy nahitana tantara voarakitra an-tsoratra momba ny fiforonan’ny tanànan’Ambodivoara na takila iray aza tao amin’ny biraon’ny fokontany sy ny kaominina. Ireo lovan-tsofina tamin’ireo zokiolona teo an-tanàna no entinay etoana. Izao àry ny fantatra tamin’izany: “Olona mpirahalahy kibo iraika Rainimaro sy Iadan’i Valala no mpanorina ny tanàna. Manana ila Betsirebaka sy Sakalava ny razana nipoiran’ izy roalahy ireo. Teo an-dafy atsimon’ny tanànan’Ambodivoara ankehitriny izy ireo no nipetraka niaraka tamin’ny vady aman-janany. Kijanan’ombiny Ambodivoara. Nisy anefa ny aretina pesta tamin’ izany fotoana izany. Maro tamin’ireo tarananany no maty. Koa voatery nialany ny tanànany. Nifindra teto Ambodivoara izy ireo. Trano zozoro roa no naoriny. Tokony teo ho eo amin’ny taona 1923 izany. Nanatona azy ny olona sasany nipetraka teny manodidina: toy ny tao Ambatomainty, Keliloha, Sakoana, Ambaniavaratra.39.”. Nitombo ny mponina dia niitatra ny tanàna. Tamin’ny taona 1949 no maty Ingahibe Rainimaro. Efa nisy teo amin’ny 50 tafo mahery ny trano teto Ambodivoara tamin’izany. Ny Voara no hazo maro teto amin’ity tanàna ity, dia izay no nahatonga ny anarany hoe: Ambodivoara. Mandraka ankehitriny, dia mbola misy fototra Voara efatra lehibe hita ao an-toerana.

1.2.2.1. Ny fivoaran’ny endriky ny tanàna

Isan-taona tsy latsaky ny enina ny olona manorina trano ao Ambodivoara. Miova hatrany ny taotrano sy ny fitaovana ao anatiny. Ohatra efa hita any an-toerana ny

39 Anaran-tanàna manodidina an’Ambodivoara, efa haolo ny sasany ankehitriny. (Sakoana, Ambatomainty)

34 trano vita amin’ny biriky masaka, misy rihina roa sy lavarangana vy. Maro ihany koa ny trano efa misy efitra maro sady miaraka amin’ny lavapiringa sy ny trano fidiovana. Mihazakazaka araka izany ny fivoaran’ny tanàna. Ohatra tokatrano 2 manana “panneau solaire” sy “canal satéllite” tokantrano 6 no misy “ vidéo”, miisa 15 eo ny trano fivoahana ary 4 ny trano fidiovana40.

Marihina moa fa, fady ny manao lavapiringa tany an-toerana taloha. Nanana fomba fiheverena momba izany ny mponina hoe: “ fady ny mitahiry maloto an- trano”. Izany dia saika fahita matetika any ambanivohitra manerana ny Nosy amin’ny ankapobeny. Tsy manao fangatahana ara-panjakana ny olona rehefa manorina trano. Mifanetihety ny trano sasany. Ny lamina nentin-drazana kosa no arahin’ny olona amin’izany fanorenan-trano izany. Ohatra, ny tranon’ny zanaka tsy miorina an-dohan’ny tranon’ny ray aman-dreniny. Mariky ny fanajana izany sady mifono finoana hoe: “Zanahary ny ray aman-dreny ka lolohavina an-tampon-doha ary fady ny mitsipa-doha laka-nitàna”. Izao ny fafana maneho ireo karazana trano misy ao an-toerana.

Fafana 2 : Ny karazana trano

Karazana trano Isany Tafo bozaka Tafo fanitso

Ritsoka41 03 03 0

Lonty42 90 90 0

Biriky43 100 50 38

Totaly 193 143 38

1.2.2.2. Ny mponina ao Ambodivoara

Singa iray mandrafitra ny tontolo iainana ny mponina. Eto Madagasikara miisa eo ho eo amin’ny 21 tapitrisa44 ny vahoaka malagasy ankehitriny.

40 Loharano ny mpikaroka. 41 Trano tora-peta,in Rakibolana malagasy,tak.969 42 Trano tany: hosena atao madity tsar any tany, asiana mololo kely, izay no atao rindrina. 43 Trano vita amin’ny biriky : ao ny manao izany amin’ny tanimanga sady masaka, misy koa amin’ny tany mena manta.

35

Tompon’ andraikitra amin’ny fampandrosoana ny tany onenany ny mponina fa indrindra ny mpitondra fanjakana. Tsara araka izany, ny mahalala ny momba azy, ny lalana nizorany ary ny fivoarany. Ny taona 1993 niisa 21845 ny mponin’Ambodivoara.

Ny may sy jona 2014, nanaovanay ny asa fikarohana tany an-toerana dia 114346 izany. Izao ny fitsinjarana azonay tamin’izany: ny isan-jaza latsaky ny 5 taona ny zazalahy 82, ny zazavavy kosa 80, ny isan’ny mpianatra any an-tsekoly 15947, 5 ny antitra mihoatra ny 70 taona, 120 ny 45-70 taona, eo amin’ny 702 ny tanora. Azo lazaina fa mitombo ny mponina. Maro anisa ny tanora, ka ny zaza no ankamaroany. Tanora ny antsasa-manilan’ny mponina 61,42%. Midika izany fa ny vava homana no maro an’isa noho ny mpamokatra. Anisany miteraka vesatra eo amin’ny fiainan- tsôsialy izany raha tsy manana tetika maty paika eo amin’ny rafi-pamokarana ny ankohonana sy ny mpitondra fanjakana any an-toerana.

1.2.2.3. Ny firafitry ny mponina

Tsy misy fiainam-piarahamonina vanona raha tsy eo ny rafitra ifampifehezana: iainana sy tandrovina mba ho arofanina eo amin’ny samy mpiara- belona, mpiray tanàna.

 Ny lamim-piarahamonina nentim-paharazana.

 Ny lamim-piarahamonina ara-panjakana.

Ny lamim-piaraha-monina nentin-drazana. Nalaza ny Ntaolo amin’ny fitandroana ny fihavanana. Maro araka izany ireo fomba nentiny nanorenana izany teo amin’ny fiainany toy: ny lafiny fianahana, ny fati-drà, ny ziva. Samy hita taratra ao Ambodivoara ireo lafim-pihavanana ireo, ary mbola misy fianakaviana sasany tena mitàna izany fomba izany ankehitriny.

44http://www.instat.mg/pdf/enquete_paludisme_2011.pdf, juillet 2014.

45 INSTAT 46 Fanisana sy fizarana ady amin’ny tazomoka2012-2013, District Tsaratanàna-Fokontany Ambodivoara n°070121 à 070130 47 RAKOTONDRASOA HAJATIANA FY, talen’ny EPP, Ambodivoara, Mai 2014.

36

 Ny fihavanana ara-pianahana.

Ao araka izany, ny havana vokatry ny rà iraisana, koa mety ho iray fasana rehefa maty.

Hita ao ihany koa ny fihavanana ara-panambadiana, ny fifampiterahana. Izany rehetra izany, samy manana ny anjara toerany sy anjara asany avokoa araka ny sokajin-taona sy ny toerany.

 Ny ray aman-dreny Lazaina hoe ray aman-drenin’ny tanàna avokoa ireo olon-dehibe eo amin’ny 60 taona no ho miakatra ao Ambodivoara. Isaky ny ankohonana ihany koa dia manana ny ray aman-dreny niteraka.

Araka izany anjara toerana izany, manana adidy izy ireo eo amin’ny tanàna, eo amin’ny ankohonana. Ohatra: ireo ray aman-drenin’ny tanàna, mivory rehefa mahatsikaritra zavatra tsy mety loatra ataon’ny tanora eo an-tanàna. Antony mba hikatsahana ny soa sy ny tsara ho an’ny mpiray monina rehetra. Ao amin’ny ankohonana indray dia ny ray aman-dreny no miantoka ny fampandehanana ny fiainan-tokantranony: ny ara-tsakafo sy ny ara-pivelomana rehetra, ny fianarana sy ny fitsaboana ny zanany.

 Ny zanaka Heverina fa manana adidy amin’ny ray aman-dreny ny zanaka. Misy ny fiteny mahazatra any hoe: “hanafarako anao mbola velon-dray f’izy Zanahary ambonin’ny tany.”Ny ankizy dia manaraka sy manaja ny baiko avy amin’ny ray aman-dreniny amin’ny ankapobeny, fa misy hatrany no maningana.

Andraikitry ny zanaka no manao ny asa madinidinika rehetra ao an-trano sy ny any an-tanimboly. Ohatra ary ny zazalahikely miambina savaly. Izany no iantsoana ny ombin-tsarety any an-toerana ary ireo efa lehibebe mandeha mamory omby any an-kijàna. Adidin’ny zanaka ny mitsinjo ny ray aman-dreniny indrindra amin’ny fotoana fahanterany. Maro araka izany ireo dadilahy sy bebe mipetraka miaraka amin’ny zafy aman- janany. Misy koa amin’ireo ray aman-drenibe ireo mitokan-trano fa ny zanany no mamelona azy.

37

 Ny vinanto sy ny rafozana. Manana fifandraisana akaiky ihany koa ireo eo amin’ny lamim-piainam- piaraha-monina. Mitombina tokoa any an-toerana ilay fiteny hoe: “ raha tiana ny vady, ny rafozana no tsinjovi-mandeha.” Iantsorohana adidy ny anjara toerana ary tena manimba ny lamim-piaraha-monina ny tsy fanatontosana izany. Ohatra ny vinantovavy no mikarakara ny rafozam-baviny toy ny reniny niteraka azy, indrindra amin’ny fahanterany: manadio ny lambany, ny tranony, mitaly ny volony...heloka sy henatra eo amin’ny fiaraha-monina ny tsy fahavitana izany. Tahaka izany ihany koa ny vinantolahy tsy maintsy mandrafozana na dia indray maka isan-taona aza.

 Ny fati-drà. Fihavanana namboarina mba hifankatiavana toy ny olona misy rà iraisana. Koa izay fifandraisana tian’ilay olona nanao azy na ho mpianadahy na mpirahalahy na mpirahavavy...miankina amin’ny safidin’ny mpanao azy. Izany kosa anefa tsy maintsy atao eo anatrehan’ ireo zokiolona ao amin’ny fianakaviana. Misy ny fomban-drazana arahina amin’ny fanaovana azy. Koa joro feno ozona no tena mibahan-toerana amin’izany indrindra ho an’ireo izay mivadika. Ohatra ny hoe: “izay mivadika mialoha aminareo dia enga anie izy ho faty tampoka eny an-kavian- dalana koa tsy hisy hahita ny fatiny afa-tsy ny lalimanga ary tsy hisy mpamadibadika afa tsy ny olitra,ary ho viravirain’ny alika”. Marihina fa mahery lavitra noho ny olona iray rà ity fihavanana namboarina ity. Milafika ao am-parahatoky ny olona mantsy ny finoana ny tsiny sy ny tody.

 Ny ziva. Misy fianakaviana maromaro samy hafa tarika ao Ambodivoara. Ny atao hoe tarika na “lignage”dia: “antokom-pihavanana mitonon-tena ho iray Razambe nihaviana, ka mbola afaka mitantara tetiarana azo antoka mipàka hatrany amin’io Razambe io”48 Ohatra ao ny Beranomainty, ny Betsingita, ny Ambatomainty, ny Maromainty, ny Maromena, ny Marovanga49. Ao amin’ireo tarika ireo dia mpiziva

48RAZAFINTSALAMA (A), Ny fiaraha-monina Ntaolo, éditions Antananarivo, mai 1975, p. 19 49 Anarana tarika ao Ambodivoara izay nalaina avy tamin’ny lokon’ny ombiny sy ny fomba nahazoany ny ombiny (Beranomainty: olona mpitsabo mpiasa-mpanjakana nipetraka tao, ny fahaizany izany no nahazoany ny ombiny dia iny no lasa anaran’ny fianakaviany.)

38 ny Betsingita sy ny Ambatomainty. Mifampiteraka izy ireo ary nifanaraka fa tsy hifanao ratsy.

Manana ny rafitra fifampitondrany izy roa tonta ireo, ary tsy maintsy mifanasaha sy mifanompa. Mino izy ireo fa ny ompa sy ny asaha ifanaovany dia mitondra soa ho azy ireo. Noho izany tsy maintsy valiana mandrakariva satria samy maniry ny soa sy ny tsara ny tsirairay avy.

Manana adidy mavesatra ny samy mpiziva, ary samy miezaka manao izay hahatontosany izany amin’ny zavatra rehetra miseho eo amin’ny lafim-piainana andavanandro na amin’ny fifaliana na amin’ny fahoriana. Koa tsy misy mitarain- tana-miempaka amin’ izany fa izay ilain’ny ilany dia tsy maintsy omen’ny andaniny.

Ny lamim-piarahamonina môderina. Manana filoha mpitondra ny fokontanin’Ambodivoara. Masi-mandidy izy ao an-tanàna amin’ny lafin-javatra rehetra. Mahazo alalana avy amin’Ingahy prezida vao mahazo manao lanonana na famoriam-bahoaka ao Ambodivoara. Manana lefitra sy mpanolo-tsaina miisa 7lahy izy.

Tamin’ny taona 2012 dia niforona ihany koa ny fikambanam-behivavy, tao an-toerana. Miara-mientana amin’ny vahoaka izy ireo amin’ny fampandrosoana ny tanàna. Mandray adidy tokoa eo amin’ny raharaha ara-tsôsialy: ohatra ny latsa- kemboka amin’ny karaman’ny mpampianatra, miantoka ny tsihy sy ny fitaovana ilaina rehefa misy fivoriam-pokonolona na amin’ny fifaliana na fahoriana, miandraikitra ny fanadiovana ny tanàna, ny fifanohanana eo amin’ny resaka fampandehanana ny fiainana ao an-tokantrano toy ny hoe: mamatsy vary amin’ny fotoam-pahavaratra, mampisambotra vola rehefa misy marary mafy... Miisa eo amin’ny 60 ny mpikambana ao anatiny. Tsara moa ny manamarika fa tsy mbola hita any an-toerana ny miralenta. Amin’ny fivoriam-pokonolona ohatra dia tsy mba manana anjara mandray fitenenana ny vehivavy.

1.2.2.4. Ny foto-pivelomana

Zava-dehibe ny fahafantarana ny fomba fiveloman’ny olona izay hanaovana fikarohana satria misy ifandraisany eo amin’ny fanatanterahana fomban-drazana izany. Ny fambolena sy ny fiompiana no loharanon-karena ao Ambodivoara.

39

Ny fambolena Fantatra moa fa ny 70% 50 ny mponina eto Madagasikara dia mpamboly sy mpiompy avokoa.

Ny 96%51 ny mponina ao an-toerana no mivelona amin’ny fambolena. Ny voly an-tanety sy ny vary an-koraka no tena manjaka. Marihina mbola manaraka ny fomba nentim-paharazana ny fanatanterahana izany. Mampiasa herim-batana mafy sy fitaovana tsotra toy ny angadin’omby sy ny angady...

 Ny voly vary an-tanety. Maro ireo tany lemaka malalaka hita ao amin’ny fokontany Ambodivoara. Asain’ny olona izany tany izany amin’ny fotoana akaiky ritra orana, ary avela eo izy miandry orana mirotsaka amin’ny taona manaraka. Vao mipaika indray ny volana nôvambra dia averina asaina ilay tany ary afafy ny vary.

 Ny voly an-koraka. Fambolena vary an-tanimbary any an-dohasaha. Rehefa tonga ny rotsak’orana dia asaina ny bainga. Hosena miaraka amin’ny omby izany ary dia aketsa ny “raraketsa”izany hoe ny zana-bary.

Ny fiompiana Manana anjara toerana lehibe ihany koa ny fiompiana eo amin’ny fiainan’ny mponina ao Ambodivoara fa indrindra ny fiompiana omby. Amin’ny tokantrano188 eo an-tanàna dia manana omby avokoa. Tokantrano 3 no manana omby zato mihoatra, 10 ny manana 50 mahery. Ny sisa izay vitsy indrindra dia ireo manana omby 4. Mitontaly eo amin’ny 1.90052 ny omby ao Ambodivoara ny volana may 2014 teo. Rehareha ny fananana omby any an-toerana. Misy ny fiheveran’ny fiarahamonina any fa olona tsy manana ny hajany mihitsy izay olona tsy manana omby. Toa olona tsy misy ilàna azy indrindra moa fa ny lehilahy satria izany dia midika fa hakamoana sy tsy fahaizana mitady. Koa ireny olona ireny dia atao ao anatin’ny sokajin’olona hoe: “faikan’olona”. Izany hoe olona tsy misy lanjany eo amin’ny mpiara-monina. Misy ihany koa ireo karazana fiompiana hafa hita any an-

50 http://jeuneagrimadagascar.org/?p=231 51 Ny mpikaroka 52 Mr SOLO, mpitsabo biby ao Ambakireny.

40 toerana fa ambin-javatra ihany izany. Ao ohatra ny kisoa, ny akoho amam-borona. Ireo biby fiompy ireo no atao sakafo amin’ny fety sy vola maika ohatra ividianana ny fanaka ao an-trano sy ny fitafiana.

Ny fiasana volamena Ankoatra ny fambolena sy ny fiompiana dia mbola hita ao koa ny fiadiana volamena. Anisan’ny mampalaza ny faritra Betsiboka izany. Azo lazaina fa vola maika koa izy ity ho an’ny mponina any an-toerana. Farafahakeliny, mahazo eo amin’ny 5santigrama isan’andro ny olona miasa azy, misy aza mahita mihoatra lavitra noho izany. Noho izany, tsy vitsy amin’ny olona any an-toerana no tsy mamboly vary fa dia miantehitra amin’ny fitrandrahana azy ity. Ny fitaovana ampiasaina amin’izany anefa dia mbola ny nentim-paharazana: lapely sy fitsilo ary sivam-bolamena vita amin’ny hazo. Misy ny miasa azy hatao firavaka fa ny ankamaroany dia manao azy ho loharanom-bola. Manodidina ny 70.000 ariary ka hatramin’ny 100.000 ariary ny vidin’ny iray grama amin’ny volamena any an- toerana.

Ny fivarotana Ireo mpiavy toy ny Betsileo no manao ny varotra ho asa fivelomana ao Ambodivoara. Ny enta-madinika, ny fitafy vita zaitra sy ny kojakoja an-dakozia no amidiny amin’izany. Marihina moa fa tsy tian’ny olona ao Ambodivoara ny manao: “voro-kitsaim-bazaha”dia “ny fripy”izany satria hoe tsy natao ho mpandova razam- bazaha izy ireo. Tsy hita any araka izany ny lazain’i I.P. Andriamangatiana53: “ Koa rehefa mba te haharaka dia mamangy tsy tapaka ireo mpivarotra akanjom-bazaha narian’ny tompony noho ny haratsiny.”Ankoatra ny Betsileo dia misy ihany ny tompon-tany mivarotra anana sy voankazo ka entiny mandeha mitety trano izany. Fantatra àry izay ny momba ny toe-karena. Manao ahoana kosa indray ny ara- tsôsialy?

1.2.3. Ny lafiny sôsialy

Efa natsidika kely teny aloha fa ny fiainam-piaraha-monina no ifotorana amin’ny asa fikarohana izay ataonay. Izany hoe ao amin’ny sehatry ny “ anthropologie sociale et culturelle”, noho izany, tsy maintsy mijery akaiky ireo singa

53 ANDRIAMANGATIANA (I.P), Sarobabay, Editions Faribolana Antananrivo, 2007, Tak. 31.

41 voafaoka ao anatin’izany ihany koa ny asa fanadihadiana izay ataonay tany Ambodivoara.

1.2.3.1. Ny fanabeazana

Tsy misy fiainam-piarahamonina manjary rehefa ny fanabeazana ny taranaka no marefo. Nisy ny fanabeazana nentin-drazana toy: ny dihy dabo-latsaka54, ny moraingy55, ny tolon’omby,...Ireo dia miompana indrindra amin’ny fanabeazana ara- batana. Mbola hita any an-toerana mandraka ankehitriny moa ny sasany amin’izany. Tao koa ny famolavolana ny toe-tsaina amam-panahy: ny angano, ny ankamantatra, ny jijy, ny rango56, ny raloba57...ireo rehetra ireo izany dia mifono anatra avokoa. Mazava araka izany fa, ny tanjona tratrarin’ny Ntaolo tamin’ny fanabeazany ny taranany dia ny fikatsahana ny hoe Fanahy no olona, izay novelabelarin- dRAHAJARIZAFY izany ao amin’ny bokiny Filôzôfia malagasy.58 Marihina moa fa manomboka very tsikelikely ireny lahabolana am-bava ireny. Ny tanora kosa dia revo amin’ny zava-maneno nentin’ny tandrefana toy ny kapila mangirana na tsorina hoe:“CD”. Ny antitra izay efa vitsy anisa sisa no manao ny dihy sy ny hira nentin- drazana.

Hita ao an-toerana koa ny fanabeazana môderina. Misy trano fianarana EPP ao Ambodivoara, tamin’ny 2005 no nananganan’ireo ray aman-dreny izany sy niantoka ny fitaovana rehetra ao anatiny. Misy ankizy maro mandranto fahalalana sy fahaizana ao amin’izany. Toy izao aseho manaraka eto ambany izao ny isan’ny mpianatra nandalo tao ka hatramin’ny fotoana nanaovanay ny asa fanadihadiana.

54 Dihy manontona tongotra roa, iarahan’ny lehilahy sy vehivavy mandeha tsiroaroa 55 Lalao totohondry 56 Hira fanaon’ny tovolahy rehefa miasa na manao moraingy na milalao diavolana, misy miventy ary misy mamaly 57 Hira fanao rehefa miandry fatin’olona efa antitra, sady mively bararata na volosy no mihira rehefa alina be io vao atao, satria mety misy resaka tsy azon’ny ankizy renesina. 58 P.RAHAJARIZAFY, Filôzôfia malagasy, Editions Ambozontany, Analamahitsy, 2007, Tak.20

42

Fafana 3: Ny isan’ny mpianatra59

2006 2007 2008 2010 2011 2012 2013

2007 2008 2009 2011 2012 2013 2014

CP1 42 45 38 43 50 58 35

CP2 51 38 53 37 28 36 46

CE 30 32 43 56 46 35 38

CM1 00 15 29 30 26 38 27

CM2 00 00 14 28 30 23 12

TOTAL 123 130 177 194 180 190 158

Nanomboka ny taona 2006-2010 nitombo hatrany ny isan’ny ankizy. Nihena kosa izany ny taona 2011-2014.

Noho ny antony maro samihafa, misy avy amin’ny ray aman-dreny, eo ny avy amin’ny Fanjakana izay toa manao tandrametaka ihany koa amin’ny asa fanabeazana ny taranaka.

 Avy amin’ny ray aman-dreny. Na tiana aza ny hampianatra ny zanaka, tsy afa-manoatra ny ray aman-dreny rehefa tsy misy ny enti-manana. Dimy ny mpampianatra ao Ambodivoara ka ny ray aman-dreny no miantoka ny karama. Isan-taona ny ankizy iray dia mandoa vary 2 daba sy vola 5 000ariary. Vesatra lehibe izany ho an’ireo manana zanaka maro an- trano. Noho izany eo amin’ny kilasy CE ny ankamaroan’ny ankizy dia mandao ny sekoly. Marihina ihany koa mantsy fa hatramin’ny tsaoka hanoratana ao an-tsekoly dia misy fotoana ny mpianatra no manambatambatra vola ividianana izany.

59 Ny talen’ny sekoly EPP

43

 Avy amin’ny Fanjakana. Hatreto tsy hita taratra izay tena fanohanan’ny Fanjakana ity sekoly ity na dia ara-dalàna ny taratasy momba azy. Izany hoe nohamarinin’ny Fanjakana soa aman- tsara ary nankatoaviny ny fanokafana azy. Ity ny “code”: 421.070.012.60Hitanay tao fa ny kilasy CE dia tsy manana boky fandaharam-pianarana. Ireo boky hafa fampiasa ihany koa tsy ampy toy ny “Connaissances usuelles, Mathematique...” Ho an’ny kilasy hafa indray misy ny boky isaky ny taranja fa vitsy ny isany nefa ny ankizy maro. Noho izany, boky iray itambaran’ny ankizy 4 na 5 izay miray dabilio. Ankoatra izany, ny efitrano fianarana dia telo fotsiny nefa misy kilasy CP1 ka hatramin’ny CM2. Misy araka izany ilay antsoina hoe: “ classe multi-grade”izany hoe kilasy roa samy hafa no atambatra ary mpampianatra iray no mitana azy. Ny zava-misy ihany koa amin’ny fotoam-pahavaratra dia mitete ny tafotrano. Manao ezaka tafo fanitso ny mponina tamin’ny fotoana nandalovanay voalohany. Vita tafo fanitso ny trano fianarana ny volana Nôvambra 2014 teo ka ny fandalovanay fanindroany tany an-toerana dia efa milamina ny mpianatra amin’ny fotoam- pahavaratra. Marihina kosa fa ity sekoly ity dia tsy mbola manana lava-piringa fa vao hiezaka hanao izany ny ray aman-dreny.

Raha izay ny momba ny sehatry ny fanabeazana, manao ahoana kosa ny fahasalamana?

1.2.3.2. Ny fahasalamana

Tahaka ny eo amin’ny fanabeazana ihany koa dia misy karazany roa miavaka ny fitsaboana any an-toerana.

Ny fitsaboana nentin-drazana. Anisan’ny lohalaharana eo amin’ny fiainana ny fahasalamana. Noho izany, tsy maintsy itadiavana vahaolana hatrany raha vao mitranga ny aretina. Fantatra àry fa manavanana ny olona any an-toerana ny mandeha mamonjy mpianjaka, na mpimasy, na Dadibe. Raha sitrana soa aman-tsara moa ilay marary na efa mihatsaratsara dia ampy azy izay.

60Talen’ny sekoly, Andriamatoa RAKOTONDRASOA Herinavalona Fy, Ambodivoara 15mai 2014.

44

Tsara moa ny manamarika fa maro ireo olona ao Ambodivoara no mahay mitsabo. Ohatra ao ny mitsabo amin’ny ravin-kazo, ao koa ny manan-talenta manokana manasitrana karazana aretina toy ny may, ny kenda, ny voakaikitry ny biby... misy koa ny renin-jaza ao an-tanàna.

Ny fitsaboana môderina. Misy C.S.B.II sy mpitsabo roa ao Keliloha izay renivohitry ny kaominina. Ny iray mpampivelona ary ny iray mpiandraikitra momba ny pesta. Nitombo ny isan’izy ireo ny volana desambra 2014: misy dokotera iray sy infirmera iray. Marihina fa tsy misy fanafody ao amin’ny trano fitsaboana. Noho izany, tsy marisika firy ny olona mamonjy tobim-pahasalamana. Rehefa misy olona marary mafy ka tsy maintsy mila hôpitaly lehibe dia lanjain’ny fokonolona mankany Ambatondrazaka. Ny tranga mateti-piseho amin’izany, dia maty eny an-dalana ilay marary. Marefo araka izany ny fitsimbinana ny fahasalaman’ny olona any an-toerana.

Izay no zava-misy momba ny fahasalamana, manao ahoana kosa àry ny lafiny finoana?

1.2.3.3. Ny finoana

Mitovy amin’ireo tranga efa voatanisa teo ambony ihany koa ny momba ny finoana. Hita ao ny finoana nentin-drazana sy ny finoana kristianina.

Ny finoana nentin-drazana. Miankina amin’ny fanabeazana azo tamin’ireo ray aman-dreny ny finoana Manamafy izany ny fomba filazan’i BENOLO manao hoe: “[...]Fanomezana avy amin’ireo efa nino teo aloha koa(ny finoana), dia ny razana, ny ray aman-dreny sy ny zoky rehetra, samy araka ny sehatra misy azy avy.” Izany tokoa ny hita taratra ao an-toerana. Andaniny, mino an’Andriaminitra Andriananahary ny olona. Efa lova azo avy amin’ireo razambe taloha tany an-toerana izany. Ankilany, anisan’ny lohalaharana ao an-tanàna ny fanajana sy ny fankatoavana an’ ANDRIAMANARAKANAKA, milevina ao antsinanan-tanàna 300m miala ny fiangonana katôlika. Araka ny lovan-tsofina dia Vazimba izy io. Mitovy lenta amin’ny Razana nipoirana, ny finoan’ny olona azy araka ny fahatsapanay, satria isaky ny misy joro atao ao an-toerana dia voatonona hatrany io anarana io. Ankoatra izany, mino ny fisian’ny hery hafa toy ny kalanoro, ny tromba...ny mponina ao

45

Ambodivoara. Manaporofo izany ohatra: Miisa 8 ny tranon’olona manana “Dadibe”, 23 kosa ny olona manana tromba, 7 ny mpisikidy. Koa ny zava-drehetra mitranga eo amin’ny fiainan’ny olona dia hamonjeny ny iray amin’ireo. Ny olona sasany aza samy vonjeny avokoa izy rehetra ireo.

Sary 4: Ny fasan’ANDRIAMANARAKANAKA.

Naka sary: Lyve Michaelà Ny finoana kristianina. Ankoatra ny finoana nentin-drazana dia hita ao an-toerana ihany koa ny finoana kristianina. Toy ny: EKAR, FJKM, ARA-PILAZAN-TSARA. Mitontaly 600 eo ny mponina mitonona ho kristianina ao Ambodivoara. Ny zava-misy anefa dia vitsy ny olona mamonjy fiangonana alahady. Tsikaritray ihany koa fa ny zaza amam- behivavy no maro an’isa amin’izany. Marihina kosa anefa, araka ny fanambaran’ireo mpitarika fa manao adidy amin’ny fiangonana ny ray aman-drenin’ireo zaza tonga mivavaka ireo rehefa tafita tany aminy ny filazana. Tahaka izany koa misy olona tsy kristianina fa manao adidy amin’ny fiangonana. Izao manaraka izao ny famintinana ny momba ny kristianina ao Ambodivoara.

46

Fafana 4: Ny isan’ny kristianina

Fiangonana Niorenany Isan’ny mpino Vita Mpivavaka/ sakramenta alahady

Batemy:150 EKAR 1990 500 Komonio: 60 80

Mariazy:4

Batisa: 10 FJKM 2013 70 25 Mpandray:4

ARA

PILAZAN- 2010 30 Batisa: 5 10 TSARA

 Ny fifampifangaroana finoana. Saika fahita manerana ny Nosy indrindra any ambanivohitra ity fifampifangaroana finoana ity. Sady miaina ny fomban-drazany ny olona no manaraka ihany koa ny finoana kristianina. Misy araka izany ny fifangaroana eo amin’ny finoana roa tonta. Ny fahitanay azy manokana aza dia mbola manavanana bebe kokoa ny olona ny mitodika amin’ny fivavahan-drazany raha mitaha ny fivavahana kristianina. Ohatra rehefa misy fanalana voady dia maro ny manatontosa izany eny amin’ny fasam-bazimba, eny an-tendrombohitra... Araka ny filazan’ireo mpitondra fivavahana ao an-toerana kosa fa tsy misy manao izany any am- piangonana.

1.2.3.4. Ny fandriampahalemana

Azo lazaina fa anisan’ny faritra manana omby ny distrikan’i Tsaratanàna. Raha tarafina ny tranga ao amin’ny kaominina Keliloha. Ohatra ny isam-pokontany dia misy omby 200 eo izay kely indrindra. Misy aza tarika iray manana hatrany

47 amin’ny 500 omby. Ohatra ao amin’ny fokontany Ankisatra, Ambatomitsangana. Fantatra izany, araka ny fitantaran’ireo mpiasa tao amin’ny kaominina Keliloha. Mazava araka izany fa be ihany koa ny dahalo any an-toerana. Mandry tsy lavo loha ny vahoaka.

Fehin’ny fizarana voalohany

Raha atao indray mijery amin’ny ankapobeny izay rehetra voalaza teo aloha dia nisy zavatra maromaro noresahina tamin’ity fizarana voalohany ity.

Nafantoka tamin’ny famariparitana ny lafiny jeôgrafia momba ny toerana ifantohana amin’ny asa fikarohana izany. Fantatra tao araka izany ny toerana misy azy eto Madagasikara: ny faritra Betsiboka, ny distrika Tsaratanàna, ny kaominina Keliloha, ny fokontany Ambodivoara. Naseho ihany koa ny momba ny toe-tany sy ny toetry ny andro ary ny zava-maniry sy ny renirano. Fantatra tao araka izany fa faritra manana fizaran-taona roa izy: andaniny ao ny hafanana sy ny hatsiaka ankilany eo koa ny hamandoana sy ny maintany. Ny zavamaniry mifanentana amin’izany no hita any an-toerana.

Nampahafantarina tao ihany koa ny tantaran’ny foko Marofotsy amin’ny ankapobeny. Nambara tamin’izany ny loharano nipoirany dia hoe avy amin’ny fitambaran’ny foko Merina, ny Sakalava, ny Sihanaka. Navoitra tao koa ny fivoarany sy ny olana any amin’ ny Marofotsy. Manaraka izany, nisy ny filazalazana ny sehatra nanatontosana ny asa fikarohana dia ny tao Ambodivoara. Nasongadina ny mikasika ny lafiny tantara, ny lafim-piainan’ny mponina ankapobeny amin’ny andavanandro: ny eo amin’ny ara-toe-karena sy ny sôsialy. Natao ireo dingana ireo satria voha varavarana hidirana amin’ny tena votoatin’ny asa. Hojerena amin’ny fizarana faharoa manaraka izao kosa ny mombamomban’ny fahan-jafy.

48

FIZARANA FAHAROA NY FAHAN-JAFY.

49

Tahaka ireo firenena maneran-tany dia manana fomba amam-panao nentin- drazana maro ihany koa ny Malagasy. Samy manana ny mampiavaka azy ny isam- poko sy isam-paritra amin’ny fomba fanatontosany izany. Eto amin’ity fizarana faharoa ity no hitondranay ny famariparitana ny fomba fahan-jafy, ny fanatontosana azy. Tsiahivina fa ny fomba fijery “fonctionalisme” sy “anthropologie dynamique” no haitsikera entinay manadihady ity asa fikarohana ity. Midika izany fa misy ny fandinihana faobe an’ilay fahan-jafy, ny filazalazana ny anjara asan’ny olona tsirairay ao amin’ny fiarahamonina amin’ny fanatontosana azy io, ny fomba fanajany ny rafitra sy ny fahasamihafana misy ao amin’ny fiarahamonina manao azy. Fantatra ihany koa fa tsy mitsaha-mivoatra hatrany ny fiaraha-monina, vokatry ny serasera. Araka izany, hojerena ihany koa ny fivoaran’io fomba io. Inona àry izany ity fahan- jafy ity?

2.1. Ny fanoritsoritana ny joro fahan-jafy

Fitaovan-tserasera malaky ny teny. Noho izany, tsara raha ety am-piandohana dia aseho ny heviny mazava, mora hahazoan’ny mpamaky azy. Mila araka izany ny fahafehezana ny voambolana rehetra momba ity fomba fahan-jafy ity.

2.1.1. Famaritana ny voambolana

Ny joro Ny hevitry ny voambolana iray dia anankina nefa misy koa ny mifanentsina amin’ny zavatra tiany havoaka eo ohatra ny fotoana, ny toerana, ny faritra misy ny mpiteny ary ny toe-javatra, tahaka izany ihany koa eo amin’ny resaka kolontsaina sy ny fanabeazana ananan’ny mpiteny.61

Ao amin’ny firaiketana ny fiteny sy ny zavatra malagasy ny joro dia: “fototeny iavian’ny matoanteny: “mijoro” izay midika hoe mitsangana mahitsy, mitsatoka tsara”sy ny hoe: “fitsanganana amim-panajana: vavaka atao mivantana amin’Andriamanitra na amin’ny razana, na ho fifonana sy fibebahana izay, na ho voady atao, na ho fangataham-pitahiana amin’ny alalan’ny tonom-bavaka na sorona

61 Lesona Mr RAMIADANARIVO Désiré, taona faha2

50 na fanatitra; atao hoe koa joro ny fanatitra enti-mivavaka na biby toy ny omby izany, na vokatry ny tany toy ny vary”62.

Ao amin’ny Rakibolana ho an’ny ankizy dia hoe: “fivavahana sy fangataham- pitahiana eo am-panatanterahana voady. Nanao joro ny fianakaviana ka namono omby”63.

Hoy i JAOVELO-DZAO64: “Ny joro dia fitalahoana ataon’ny ray aman-dreny amin’ireo Razana, ho tombontsoa hahatsara ireo zanany. Tso-drano, faniriana, vavaka sy fankatoavana an’ireo razana, hahazoan’ ireo heverina mpahazo tombontsoa ireo tanteraka ny filàny, koa ny tsy fahazoana izany dia hiteraka tsy amim-pihambahambana ny tsy fahombiazana na loza hihatra. [...]. Ny tena famaritana ny joro na dia tsy hahalaza azy tanteraka aza, dia ahatsapana ilay toetra fototra mampiavaka azy, hany tokana fantatra dia ny hasina.”

Ny joro ambara eto amin’ny asa fikarohana dia hataka atao sy fisaorana an’Andriamanitra Andriananahary, ny Zanahary, ny Razana sy ireo zava-masina rehetra. Koa miaraka amin’ny fanolorana sorona: biby alatsa-drà izany dia ny omby.

Ny fahan-jafy

Teny roa samy hafa no hita ao anatin’izany: fahana+ zafy = fahan-jafy. Ny teny hoe “fahana”indray ao amin’ny « dictionnaire malgache-français » dia hoe: “tolotra aroso amin’ny vahiny, sakafo, anjara hanina. Aoka hanaterana fahana ny vahiny”65

Ao amin’ny Rakibolana Malagasy dia hoe: “sakafo omem-bahiny. Hanina, Sakafo.

62 RAVELOJAONA, Firaketana ny fiteny sy ny zavatra malagasy, Imprimerie Tananarivienne, 1960, tak.157-158 63Rakibolana ho an’ny ankizy sy Rakipahalalana, éd, Idac&Zébu Francophone, 2010, tak.299 64 JAOVELO- DZAO (R), Mythes, rites et transes à Madagascar, éditions Ambozontany Analamahitsy, tak.107 «Le joro s’opère par les parents, de la part des Ancêtres, aux avantages des enfants. Bénédiction, souhait, prière et culte aux ancêtres, constituent une nécessité absolue, à défaut de laquelle, le prétendu bénéficiaire subira inéluctablement des préjudices. […]. La vraie définition du joro, bien que celle-ci n’ait aucune prétention exhaustive, ne saurait faire abstraction d’une de ses caractéristiques des plus essentielles, sinon la seule, à savoir le hasina, sacré. 65 ABINAL, op, cit. Tak. 137 “ Cadeau en vivres offert à un étranger, nourriture, ration.

51

Anjara hanina.”66

Ny fahana dia ahazoana ireto sampan-teny ireto: - mamahana: matoantenin’ny mpanao izay midika hoe manome fahana; - fahanana: matoatenin’ny iharana izay midika hoe: tolorana haninana aman-tsakafo na zavatra hafa atao solon’izany67; amahanana: matoatenin’ny mpamari-toe-javatra; famahanana: anarana azo avy amin’ny matoantenin’ny mpamari-toe-javatra. Ny mpamari-toe-javatra dia azo anondroana fomba. Ohatra: Toy izao ny famahanana ny zazakely enim-bolana.

Tsara ny manamarika fa ampiasaina amin’ny sehatra isan-karazany ity teny “fahana “ity. Ohatra: rehefa tonga ny finday, dia fahana no ilazana ny « crédit ».

Ny hoe “zafy” ao amin’ny Rakibolana dia zanaky ny zanaka, na taranaka faharoa68. Ireo raibe no niteraka ny zanaka izay taranaka voalohany; ary ny zanaky ireo zanaka indray no antsoina hoe zafy. Ary ny zafy dia mbola misy sokajin’ny maro dia ny zafikely, zafiafy, zafindohalika, zafim-paladia.

Ireo raibe sy renibe

Ireo zanaka

Ireo zafy

Ny joro fahan-jafy araka izany dia sorom-pisaorana sy fangataham-pitahiana atao amin’ Andriamanitra Andriananahary sy ireo hery tsy hita maso isan-karazany. Misy ny fombafomba arahina amin’izany, ary miafara amin’ny fanomezan’ireo raibe sy renibe sakafo ho an’ireo zafikely. Maneho famelomana aina sy fanehoam- pitiavana ireo taranaka amam-para ny fahan-jafy.

66 RAJEMISA, Op, Cit. tak.194 67 Akademia malagasy misahana ny Haikanto sy ny Haisoratra ary ny Hairaha, Rakibolana Rakipahalalana, Antananarivo, 2005, p.262 68 RAJEMISA, op, cit, tak.1052

52

2.1.2. Ny tantaran’ny fahan-jafy

Tsy fantatra mazava ny toerana sy ny fotoana nipoiran’ny fahan-jafy voalohany tao amin’ny foko Marofotsy. Mazava kosa anefa fa fahita any amin’ny faritra hafa manerana ny Nosy izy ity, ohatra any amin’ny foko Antemoro, sy ny any amin’ny foko Betsimisaraka…Koa araka ny lovantsofina tamin’ireo zokiolona no niaingana ka ambara etoana.

Efa fanaon-drazana hatramin’izay tao Ambodivoara ny fahan-jafy. Misy ny manatontosa azy rehefa feno 8 na 10 ny isan’ny zafikeliny. Harena sy rehareha ny taranaka any an-toerana. Izany fiheverena izany dia saika iombonanan’ny Malagasy amin’ny ankapobeny. Hoy ny ohabolana hoe: “Ny zanaka no harena”.

Ny harena araka ny finoan’ny mponina ao Ambodivoara dia tsy azo noho ny herin’ny tenany samy irery fa misy ny fitahian’Andriamanitra sy ny Razana. Izay no fiandohan’ny fomba maro isan-karazany momba ny taranaka hita any amin’ny Marofotsy toy: ny joro valo anaka,69 ny fahan-jaza70, ny fahan-jafy…

2.1.3. Ny endrika isehoany

Lanonam-piravoravoana ny fahan-jafy. Misy roa ny fototry ny fankalazana amin’izany: voalohany dia eo ny fankasitrahan’ireo ray aman-drenibe an’ireo hery tsy hita maso satria sady tratra antitra sy lava andro iainana izy ireo no manan- taranaka mandimby. Ny faharoa dia fitalahoan’izy ireo fanambinana ho an’ireo zafikeliny mba ho soa sy ho tsara. Araka izany, dia amin’ny fomba manetriketrika ny fanatanterahana ny fankalazana. Misy ny omby atao sorona. Ankoatra izany misy ny fombafomba maro isan-karazany tsy maintsy arahina eo amin’ny rafi-pandaminan’ny fiaraha-monina; Ohatra, ny fampandrenesana ny fokonolona, ny tapaka sy namana amin’ny faritra manodidina.

69 Fomban-drazana marofotsy, rehefa manan-janaka valo dia manao joro fisaorana an’Andriamanitra sy fitalahoana fahasoavana mba tsy ho hisy loza hihatra amin’ireo zanaka ireo. 70 Fomban-drazana ihany koa, fankasitrahana sy fisaorana an’Andriamanitra sy ny Razana fa manan- janaka, namokatra fa tsy momba.

53

2.1.4. Ny foto-kevitra ijoroany sy ny zava-kendreny

Ny foto-kevitra

Araka ny fanadihadiana izay nataonay tany an-toerana, dia manana fomba amam-panao maromaro arahina ny mponina any.

Samy manana ny hevitra ijoroany sy ny tanjona tratrariny ny fomba tsirairay amin’izany. Manamafy izany ny voalazan’i RIVIERE Claude momba ny fomba amin’ny ankapobeny hoe: “Ny fomba amam-panao mifandray mitovitovy endrika dia afaka manatratra tanjona maro samy hafa: fangatahana ranon’orana, ny fananana taranaka…”71 Tsapa kosa anefa fa na samy hafa aza ny tanjona dia tsy misy mifanipaka akory ny hevitra amin’ izany fa mifameno. Ohatra nanambara ireo zokiolona efa niaina ity fomba fahan-jafy ity fa zavatra roa loha no tena ijoroan’izy ity dia: ny fandalàna ny aina sy ny firariana mba hananan-karena ireo taranaka. Tianay anefa ny manamarika fa misy koa hevitra hafa azo amenoana izany. Ohatra ny fanamafisana ny firaisan-kinan’ ny mpianakavy, sy ny fampivondronana ny mpiara-monina..., izay hitanay taratra ny fisian’izany tamin’ny fotoana nanatrehanay maso ity fahan-jafy ity. Manampy izany ihany koa ny lazain’i RIVIERE manao hoe: “manamafy ny fifamatorana, mamefy ny fihetseham-po, mandamina ny disadisa misy eo amin’ny fiarahamonina, manome hery sy tanjaka ireo foto-kevitra ara- kolontsaina, mametra ny anjara asan’ny fiarahamonina, mandrafitra sy manetsika ny fomba fitondran-tenan’ny olona.”72 Singan-javatra maro misy eo amin’ny fiainana no mety ijoroan’ny fomba iray, koa io samy manana ny fitrangany ny isam-paritra sy ny fiarahamonina. Koa ireo hevi-dehibe roa efa voatanisa teo aloha no asongadinay bebe kokoa etoana.

 Ny fandalana ny aina

Teo amin’ny Ntaolo dia zava-dehibe izany aina izany. Izay rehetra ataony dia mifototra amin’ny fitsinjovana izany amin’ny ankapobeny. Hoy mantsy ny

71 RIVIERE (C), Socio-anthropologie des religions, Editions Armand Colin, Paris, 1997, p.82 « Des rites de forme relativement semblables peuvent viser différentes finalités : demande de pluie, de fécondité… » 72 RIVIERE (C), Socio-anthropologie des religions, Editions Armand Colin, Paris, 1997, p.86 « Ils renforcent des liens, canalisent des émotions, subliment des tensions sociale, donnent force aux idées d’une culture, délimitent des rôles sociaux, structurent et dynamisent des comportements. »

54 fitenenana hoe: “Tokana ny aina.” “Ny aina tsy ananam-piry.” Samy maniry ny ho ela velona sy ho sambatra ny olombelona satria hoe: “mamy ny miaina”.

Raha vao misy tranga mampiahiahy miseho eo amin’ny vatana na eo amin’ny fiainana dia mitotototo ny olona, mikatsaka izay mety hahitana fiarovana hamonjena ny aina : lasa mamonjy mpimasy, mandeha manatona toeram-pitsaboana, mijoro amin-Janahary sy ny Razana sy izay rehetra heverina fa manana hery afaka manampy. Izany no zava-misy hitanay tany an-toerana nandritra ny fotoana nanaovanay ny asa fikarohana. Tsy any ihany anefa no misy tranga tahaka izany. Manaporofo izany ny ambaran’i BENOLO manao hoe: “Amin’izay rehetra ataony, amin’ny zavatra rehetra mitranga eo amin’ny fiainany, dia hidodododoany amin’ireo (Andriamanitra sy ny Razana) “manam-pahefana” ireo avokoa.”73 Tsikaritray tamin’izany fa fatratra ny fahatahoran’ny olona ny fahafatesana, ary lalina ny fankamamiany ny fiainana. Marihina anefa fa sahy mamono ny ain’olombelona mitovy aminy ny olona amin’izao vaninandro ankehitriny izao. Hatramin’ny fitondrana taloha teo amin’ny fiarahamonina malagasy moa no efa nisy ny vono olona. Ohatra ny fampinomana,74 ny tsobo,75 ny manoho-jaza.76 Tamin’ny fomba “tsotsotra”sady tsy nahafaty olona marobe indray miaraka akory izany. Ankehitriny kosa dia efa lasa lavitra ny fomba fanatontosana izany, ao ny mampiasa fitaovana avo lenta, mandripaka ain’olona maro na meloka na tsy manan-tsiny, tsy miahotra manao izany amin’ny fomba feno habibiana. Ohatra amin’izany ny tranga fahita matetika any amin’iny faritra “Moyen Orient” iny,77 ny daroka baomba. Misy ireo manam-pahaizana efa nahita fomba mahery vaika entina hifamonoana. Ohatra ny etona simika.

Ny Malagasy izay manana ny filôzôfiany hoe: “fitsimbinana ny tena, fitsimbinana ny ainy, fitsimbinana ny fanahiny, fitsimbinana ny namana78”, aza dia

73Ao amin’ny boky navoakan’i GUEUNIER(N), sy i SOLO-RAHARINJANAHARY, op, cit, p.267 « A tout ce qu’il fait, à tout ce qui lui arrive, il recourt à ces « autorités ». 74 COUSINS, Ny fomba malagasy, p.97 75 IDEM, p.112 76 IDEM, p.86 77 http://www.bfmtv.com/international/la-cisjordanie-sous-tension-un-palestinien-tue-846039.html 78 RAHAJARIZAFY, op, cit, p.43-58

55 tsapa amin’izao vanim-potoana izao fa mihamikorosy fahana izany. Tsy vitsy ireo sahy manamavo sy manao tsinontsinona ny aina. Manaporofo izany ny voalazan’ny gazety iray mpiseho isan’andro: “Notifiriny teo amin’ny lohany ny vadiny noho ny hasarotam-piaro.”79

 Ny fiharian-karena

Samy maniry sy tia ny hanam-bola aman-karena avokoa ny olombelona tsirairay avy. Anisan’ny antoka mampisy lanja ny olona iray eo anivon’ny mpiara- belona aminy izany. Mampisongadina azy hanana toerana ambony kokoa noho ny hafa. Azo heverina fa izany no nahatonga ny Ntaolo tany an-toerana hirary ny taranany mba hanan-karena, sy handidy azy ireo tsy hiraviravy tanana. Ny harena ho an’ny Marofotsy dia ny omby. Ireo olona izay manana omby maro no mpanarivo ka hajain’ny mpiara-monina. Araka izany, manao izay fomba rehetra ny olona mba hahazoana omby. Misy ny mikarama amin’ireo efa mpanana omby ao an-tanàna ihany. Ao koa ny zatovo lahy sasantsasany miala tanàna, mihary any an-tanin’olon- kafa. Misy koa ireo tovolahy mandeha lavitra mitady omby. Izay no antsoin’ny olona any hoe: “mandeha Ambanja”: izany hoe lasa any an-tany hafa mangalatr’omby. Ohatra any amin’ny faritra Alaotra Mangoro, na Sofia…Izany dia efa fomban- drazan’ny Marofotsy hatramin’izay. Manaporofo izany ny voalazan- dRADAMANGA hoe: “Lavitra dia lavitra ny toerana nangalaran’ny Marofotsy omby fa tany amin’ny faritanin’Analalava, Mandritsara, Befandriana, Antsohihy. Karazana fandrobana ny fangalarana omby taloha. Rehefa handeha handroba dia mandeha marobe hatramin’ny zato lahy na dimam-polo.”80 Marihina fa ankehitriny, tsy misy intsony izany, miara-dia marobe manafika izany any amin’ny foko Marofotsy fa hita izany tany amin’ny foko Bara81. Vao tsy ela akory anefa, efa niova izany, ny sasantsasany tamin’ireo dahalo mpandroba tany amin’ny foko Bara dia niova fo. Nitolo-tena tamin’ny fanjakana fa hiala tsy hanao izany asa izany intsony.

79 Midi Madagasikara, laharana faha 9493, talata 11 novambra 2014, tak. 17 80 RALAZAMAHALEO, Tantaran’ny Marofotsy, Tahirin-kevitra Cabinet Véternaire –MAROFOTSY Andriamena, p.12

81 http://www.laverite.mg/index.php?option=com_content&view=article&id=775:mandravarava-ny- dahalo-omby-600-norobain-ny-malaso-tany-ankazoabo

56

Ankoatra ny omby moa dia anisany manana ny lanjany ihany koa ny vola. Hoy ny fitenenana hoe: “Ny vola no maha rangahy”. Koa samy miezaka mikatsaka izany ny tsirairay eo amin’ny fiainany. Fahita àry ankehitriny saika manerana ny Nosy ny loza ateraky ny fitadiavam-bola. Ohatra, ny famonoana olona, halatra…

Tsy mitsinjo ny aina maha olona intsony ny ankamaroan’ny olona fa andevozin’ny fitiavam-bola tafahoatra. Manamafy izany ny voalazan’ny gazetiko hoe: “tokantrano roa no voaroban’ny jiolahy, tany Bemahatazana-Tsiroanomandidy nisy ny olona naratra, lasa ny vola mitentina 13,5tapitrisa Ar”82

Ny zava-kendreny

Fatratra ny fahendren-drazana malagasy dia ny fitodihana hatrany amin’ilay Mpahary ny zavatra rehetra. Na dia tsy hitan’ny masony aza izany dia natahorany. Manamarina izany ny ohabolana hoe: “Ny adala no tsy ambakaina, Andriamanitra no atahorana”. Ny tanjona kendrena amin’ny fahan-jafy dia ny fikatsahana fifandraisana misimisy kokoa amin’Andriamanitra sy ny Razana. Izany dia aseho amin’ny alalan’ny fanolorana sorona. “Ny sorona moa dia famoizan-javatra na biby” hoy RAZAFINTSALAMA83. Misy araka izany, ny biby vonoina alatsa-drà. Tamin’ny fahan-jafy izay natrehinay dia omby no natao sorona. Izany no tolotra marika fankasitrahana ny Mpahary. Manamafy izany ny fomba filazan’i BENOLO azy hoe: “Amin’ny lafin-javatra rehetra, amin’ny alalan’ny sorone, ny Malagasy mahalala fa tsy tompon’ny tenany izy fa kosa tsy maintsy manankina izany amin’Andriamanitra sy ny razana.”84 Manaraka izany, eo ihany koa ny fampiombonana ny samy olombelona, ny mpianakavy fa indrindra ireo zafikely. Fantatra mantsy fa zarazarain’ny tokantrano samy manana ny azy izy ireo, tsara araka izany ny mba hisian’ny fifankahalalana bebe kokoa.

Raha izay ny fanazavana amin’ny ankapobeny ny tsara hofantatra momba ity fomba ity, dia hojerena manaraka izao kosa ny fizotran’ny fanatontosana azy, ireo dingana isan-karazany arahina amin’izany, ny anjara asan’ny tsirairay mandritry ny lanonana.

82 Gazetiko, Laharana 4989, sabotsy faha 04 ôktôbra, 2014, tak.4 83 RAZAFINTSALAMA, Ny finoana sy ny fomba malagasy, op, cit, p.131 84 Navoakan’i GUEUNIER(N), SOLO-RAHARINJANAHARY op, cit, p.267

57

2.2. Ny fizotry ny fahan-jafy

Misy dingana telo mazava arahina amin’ny fizotry ny lanonana dia izao vahavahana manaraka izao.

2.2.1. Ny fotoana fanomanana

Ny fanomanana dia mitana anjara asa lehibe amin’ny fanatontosana fomba amam-panao.85 Araka izany, misy dingana maromaro arahina vao tonga amin’ny joro fahan-jafy. Zava-dehibe tsy maintsy tontosaina ao anatin’izany ireto tanisaina manaraka ireto dia: ny fivoriam-pianakaviana, ny famonjena mpimasy, ny fanasana ny mpiara-monina.

2.2.1.1. Ny fivoriam-pianakaviana

Volana maromaro mialoha ny fotoan-danonana, any amin’ny Marofotsy dia tsy maintsy misy ny fivoriam-pianakaviana izay tarihin’ny zokiolona indrindra ao amin’izany fianakaviana izany.

Mandritra izany no hanoritsoritana ny anjara asan’ny tsirairay sy handraisana ny fanapahan-kevitra maro samihafa momba izay enti-manana rehetra hanatanterahana tsara ny lanonana. Fahita any amin’ny Betsimisaraka koa ny fomba fanao tahaka izany. Hoy ny filazan’i LAHADY azy: “Voalohany indrindra, misy ny famoriana ny fianakaviana izay tarihin’ny mpitondra teny (tangalamena) eo amin’ny foko sy ny tompon-draharaha, mametraka ny daty hanaovana ny lanonana, ary ny fampandrenesana ny fokonolona. Mandritra izany ny vahoaka rehetra afaka miomana.”86

Ny fitsinjarana asa Mila tompon’andraikitra avokoa ny asa rehetra atao mandritra ny joro fahan- jafy. Araka ny antanatohatra misy ao amin’ny fianakaviana ny fitsinjarana azy.

85http://asl.unv-montp3.fr/masterRECHERCHE/M1/n.auger/pesce_rites et autorisation.pdf “La preparation joue un role essential dans les rites de passage”

86 LAHADY(P), op, cit, p.68 « D’ abord, le Porte-parole du clan et l’organisateur de la fête réunissent la famille et fixent avec elle la date de la cérémonie, puis convoquent la communauté pour lui annoncer officiellement la date. Dès lors tout le monde se prépare.

58

Manomboka avy any amin’ireo raibe ka hatramin’ ireo zafikely izany. Ireo ray aman- drenibe dia manana asa izay manandrify ny taonany sy ny heriny. Tahaka izany koa ny an’ireo ankizy ao amin’ny fianakaviana, mifanentana amin’ny maha zaza azy.

Ireo zanaka efa lehibe sy ny vinanto no mizaka anjara asa maro izay mila tanjaka sy ny hery bebe kokoa. Adidin’izy ireo koa ny mitarika sy manentana ny olon-kafa ivelan’ny fianakaviana amin’ny fanatontosany ny asa. Ohatra ireo tapaka sy namana, ny mpiara-monina tonga manampy azy ireo amin’ny asa aman- draharaha.

Tsy any amin’ny fahan-jafy marofotsy ihany no ahitana tahaka izany fa misy izany koa amin’ny fotoanan’ny Sambatra any amin’Antambahoaka. Ohatra:”Samy manao ny tandrify azy araka izany ny lehilahy sy ny vehivavy amin’ny fanatanterahana fomba sy/ na asa iray”87.

Eto am-piandohana dia tianay ny manamarika fa misy ny antony mazava nanaovana ny tsinjara asa ho an’isam-batan’olona na sokajy. Ohatra, ireo ray aman- drenibe, olona manana ny hajany sy ny voninahiny ao amin’ny fianakaviana izany, ary eo anivon’ny fiarahamonina koa aza. Manana ny traikefa bebe kokoa eo amin’ny fiainana izy ireo satria hoe: “ela nihetezana lava volo”. Izy ireo ihany koa no mitondra ny feon’ny fianakaviana, manomboka hatrany amin’ny famonjena ny mpimasy ka hatramin’ny famaranana ny lanonana. Mikaonty ao ihany koa ny fitsimbinana ny toe-batany, efa reraka, osa ka tsy mahazo misahana asa mandreraka loatra ny vatana.

Manaraka ireo ray aman-drenibe dia voatanisa ao koa ireo zanaka, voafaoka ao anatin’izany ny vinanto. Amin’ny ankapobeny, dia manana toe-batana vory nofo, manana hery enti-manantontosa ny asa. Ireo no andry ianteheran’ny ray aman-dreny amin’ny asa rehetra mila tanjaka. Olona azo itokisana tanteraka ireo amin’ny lafin- javatra rehetra na an-tsaha na an-tanàna. Ireo no tena tompon-draharaha any amin’ny Marofotsy, satria miantoka ny fahavitan’ny fanantanterahana ny fomban-drazana.

Ny zaza ihany koa manana ny anjara asany manokana. Ireo no ho avin’ny fianakaviana koa zarina sahady izy ireo amin’izay ho tokony fiainany rahatrizay.

87 RAHARIMALALA(B), Ny Sambatra eo amin’ny Antambahoaka, mémoire de CAPEN Antananarivo, 2001, tak.42

59

Tahaka izao hita amin’ny fafana manaraka izao àry ny fitsinjarana asa nisy tamin’ny fahan-jafy izay natrehinay.

Fafana 5: Ny fitsinjarana asa.

Fotoana Asa atao Mpanatontosa Fanamarihana

Manangona ireo ody ilaina araka Ny iray Mahazo mandeha koa ny ny tenin’ny mpimasy. Ohatra ny amin’ireo ray zanaka lahimatoa na Alatsinainy vakana: tongarivo, vakatody, aman-drenibe vavimatoa ao amin’ny

malai-misaraka, arivolahy, felan- fianakaviana raha sendra tana tsy foana, vaka-miarina. Ny tsy afaka izy ireo

ravin-kazo kosa dia ny: Ny isam-pianakaviana eo Zanaka lahy sy Betsimihilana an-tanàna ihany koa dia Vinantolahy Mandeha maka kitay amin’ny samy miantoka kitay iray sarety any an-tsaha. sarety

Alarobia Miandraikitra ny fanenjehana ny Zanaka lahy sy Miaraka amin’ny vatan- omby any an-kijàna ny Vinantolahy dehilahy feno 18taona ao

Izy ireo ihany koa no mitaho ny an-tanàna. toaka fisaorana ny olona

Misahana ny fitotoam-bary, ny Zanaka vavy sy Miaraka amin’ireo fanangonana ireo fitaovana toy ny vehivavy hafa izay mba ny: tsihy, lambanana, harona, Vinantovavy namana akaiky amin’ny sobika, lovia, sotro, siô, zinga… famahanana ny olona.

Rehefa hariva mamahana ny olona avy nanenjika omby

Misy koa olona hafa efa

Zoma Mandray vahiny avy any lavitra Ray aman- nomena fahefana manao drenibe izany, mifanampy

60

amin’izy ireo.

Amin’io andro io ihany koa ny Vinantovavy sy zaza amam-behivavy no ny zanakavavy

mandeha midio any am- pantsakana

Mahandro ny sakafom-bahiny

sy mamahana azy ireo.

Mikarakara ny jiro sy ny zava- Vinantolahy sy maneno hanafanana ny lanonana ny Fanangonana ny fitaovana zanakalahy rehetra ilaina amin’ny famonoana ny omby.

Sabotsy Fandraisana ny vahiny, sy ny Ray aman- tsodrano entin’izy ireo. drenibe

Mikarakara ireo zafikely,

manasa sy mampihaingo azy Zanaka vavy sy ireo. ny Vinantovavy

Manara-maso ny fikarakarana ny fandrahoana ny vary hamahanana ny olona nasaina

Miandraikitra ny fizarana ny Zanaka lahy sy

hena. ny vinantolahy

Maka ravin’akondro handrasana Zafikely ny hena lehilahy

61

Alatsinainy Irakiraka amin’ny asa Zafikely Mila tsy misy ipetrahana sy Alarobia madinidinika: mantsaka rano sy mba ilalaovana mihitsy mitatitra kitay, manasa lovia, izy ireo mandritra izany. ireo efa lehibebe kosa mitao kafe Misy ny fitenenana any sy dite hoe: “maty iraka”

Tsara ny manarika fa mahalana ny olona any an-toerana manao fomban- drazana amin’ny andro alahady. Fantatra anefa fa tsy mifady ny andro alahady ny mponina any an-toerana. Maro ireo olona miasa tany amin’io andro io tsy mandeha mamonjy fivavahana any am-piangonana izy ireo fa miasa tany any an-tsaha na an- tanàna. Araka ny fahitanay azy dia misy hatrany ny fanajana ny fiaraha-miaina eo amin’ny fiarahamonina. Ny fanatanterahana fomba amam-panao amin’ny fomba manetriketrika any an-toerana mantsy dia tsy maintsy mila ny fiombonan’ny rehetra mpiray tanàna, manatrika izany koa ao anatin’izany ny kristianina. Fantatra anefa fa ny kristianina amin’io andro io dia mandeha mivavaka. Ankoatra izany, dia azo heverina ihany koa fa matahotra ireo olona manaraka fomba fivavahana nentin- drazana hanao fomba amin’io andro io satria sao hitondra loza ho azy satria fantany fa fady ho an’ny mpino kristianina izany.

Hita àry fa, ny isam-batan’olona tsirairay ao anatin’ny fianakaviana dia manana ny anjara asa iandraiketany avokoa. Tsy misy olona midonana-potsiny amin’ ity fomba fahan-jafy ity. Samy tompon’adidy ny tsirairay. Ny tapaka sy namana kosa dia miandry ny baiko sy ny fanentanana avy amin’ny tompon-draharaha.

Marihina fa amin’ny ankapobeny, na dia mbola tsy namonjy mpimasy aza ny tompon-danona dia efa fantatry ny mpianakavy ny anjara asany sy ny andro azo anaovana ny asa. Ohatra: ny alatsinainy sy alarobia ary zoma sy ny asabotsy. Fady kosa ny andro alakamisy sy talata, tsy misy olona miasa amin’ireo andro ireo na dia amin’ny fiainana andavanandro tsotra aza. Tsy miasa tany sy tsy mampiasa ny ombiny ny ankamaroan’ny olona ao an-tanàna. Izany moa dia saika fahita amin’ny foko maro eto Madagasikara. Tahaka izao àry ny sarin’ ireo zafikely manatontosa ny anjara asa manandrify azy ireo.

62

Sary 5: Ny zafikely miasa

Naka ny sary: Lyve Michaelà, 2012

2.2.1.2. Ny famonjena mpimasy

Mbola misy maro ny Malagasy tsy mianona fotsiny amin’izao amin’ny fikolokoloana ny ainy. Manana mpimasy mitaiza azy ny ankaroan’ny olona indrindra any ambanivohitra. Raha ny hita ao Ambodivoara izay nanaovanay ny asa fikarohana manokana dia fantatra fa samy manana ny mpimasy avokoa ny 98%n’ny isan- tokantrano. Eto Antananarivo renivohitra aza moa dia misy mpimasy ary betsaka ny olona mamonjy izany. Ohatra Ramatoa NOELAH. Manao dokam-barotra amin’ny gazety Midi-flash izy matetika ary misy koa ireo gazety hafa miresaka ny momba azy.

Tamin’izany ny nahalalanay ny mombamomba azy sy ny fotoana andraisany olona, ny saran’ny fanafodiny. Amin’ny maha mpikaroka anay, dia niresaka nivantana taminy an-tariby izahay. Misy maro araka izany, ireo olona mamonjy azy araka ny filazany. Misy ihany koa ireo olona mijoro vavolombelona fa nahita fahombiazana

63 vokatry ny fitsaboany. Ohatra: “trangam-piainana, fianakaviana voaozona: tsy misy maka vady! Tafarina ihany.

Niroso tamin’ny fanalana ozona sy ny fanadiovana rehetra avy eo i Mme Noelah (03313 09013-03461 32862 – 03260 47994). Efa niravona ny raharaha amin’izao fotoana.88. Marihina fa tsy dokam-barotra akory ny ataonay etoana fa entina manamafy izay voalaza teo aloha fa mbola maro ireo olona mino sy manaraka ny fitsaboana nentin-drazana.

Ao Ambodivoara dia fanaon’ny olona matetika ny mamonjy mpitaiza amin’ireto trangan-javatra vitsivitsy ireto: rehefa misy olona tsy salama na manonofy ratsy na manonofy ny iray amin’ireo havana efa nodimandry. Ny fahita matetika alehan’ny olona dia ny mpisikidy sy ny mpihanjaka (ireo tsanganan-Janahary, ireo manana tromba). Izao ny filazan’ Ingahy Miady mpisikidy ao an-tanàna manao hoe: “tsy latsaky ny 4 raha kely indrindra ny olona raisiko isan’andro”. Misy tahaka izany koa amin’ny faritra hafa eto amin’ny Nosy. Manaporofo izany ny voalazan’ i VIG manao hoe: “Raha misy olona marary, ny mpisikidy no “ray sy reny”: afaka hilaza ny marimarina ny anton’ny aretina izy ary ny fomba hanasitranana azy. […]. Raha mbola tsy nitonona ny mpisikidy, dia tsy azo atao ny fandevenana na ny famadihana.”89 Ankoatra ny mpisikidy dia misy maro koa ny olona any an-toerana mandeha mamonjy mpihanjaka. Ny mpihanjaka dia olona ipetrahan’ny fanahin’ireo mpanjaka na Razana hafa ihany koa. Ireo olona manana izany fanahy izany dia manan-kery afaka mitsabo sady manambara mialoha ihany koa ny loza mety hihatra amin’ny olona iray na ny fianakaviany. Io karazana fanahy ao amin’ny mpihanjaka io no ilay ambaran’i POIRER90 hoe: « Ny tromba tsara […] dia fanahy ananan’ny olona iray. Mandeha manontany ny olona misy an’io fanahy io ny marary rehefa tsy sitrana tamin’ireo fanafody efa fampiasa mahazatra.” Manana anjara asa lehibe mihitsy ny mpimasy any an-toerana. Adidiny no miantoka ny ain’ny fianakaviana sy ny olona vory manatrika ny jamà.

88 Gazety Jejoo, mardi 04Mars 2014 N° 1564, p.6 89 VIG (L), Ny fireham-pinoan’ny Ntaolo Malagasy, Les conceptions religieuses des anciens Malgaches, Editions Analamahitsy Antananarivo, 2001, p.124 90 POIRER (J), Civilisation malgache. Tom II, Editions, Cujas: Paris, 1968, p.209 « Le tromba tsara est un esprit susceptible de posséder un individu. On consulte cet esprit pour connaître le remède d’une maladie lorsque cette maladie n’a pas pu guérie par les remèdes ordinaires. »

64

Misy sarany ny fanatonana mpimasy. Mizara roa miavaka tsara izany. Andaniny, misy ny vanim-potoana tsotra dia manodidina ny 1.000ariary ka hatramin’ny 2.000ariary, ankilany, amin’ny fotoam-pifaliana toy ny: fahan-jafy, ny famadihana dia eo amin’ny 5.000ariary ka hatramin’ny 6.000ariary. Marihina fa misy ny tompon-draharaha manome mihoatra izany noho ny hafaliam-pony.

Raha izay ny momba ny dinidinika ifanaovan’ny fianakaviana amin’ny fomba hiatrehany ny lanonana dia ireto kosa ny zavatra hafa tsy maintsy fantatra.

2.2.1.3. Ny toerana sy ny fotoana

Anisan’ny singa manana ny anjara toerany manokana eo amin’ny fanatontosana fomban-drazana ny toerana sy ny fotoana. Tsy misy kinangananga izany fa mandeha amin’ny lamina sy ny toromarika avy amin’ny mpimasy avokoa.

Ny toerana  Eo “ambalamena”

Teny roa natambatra moa ny ambalamena = vala+mena: ny vala dia fefy fiarovana ny toerana iray. Ny mena dia “volon-doko manahatahaka ny rà na ny afo”91 Ny Ambalamena dia anarana ilazana toerana iray ao an-tanàna. Koa eo ny prezidan’ny fokontany no mamory ny vahoakany rehefa misy dinidinika tiany atao. Tsy misy olon-kafa mandray fitenenana eo mandritra izany raha tsy mahazo alalana avy amin’ny filoham-pokontany. Raha sendra misy olona mamo ka miteniteny tsy mendrika eo mandritra ny fivoriana dia kabariana, toaka na omby ilay olona. Ny fokonolona no mametra ny lamandy amin’ izany.

Amin’ny fotoana fanatontosana fomban-drazana kosa dia eo amin’ny tokontanin’ny tompon-draharaha no antsoina any an-toerana hoe: “Ambalamena”. Koa eo amin’ ny zoro avaratra atsinanan’ny tranon’ny tompon-jamà no alavo ny omby. Toy izao ny toromarika arahina amin’izany: atao mandry havanana ilay omby, ny tongotra aman-tanany mifatotra avokoa. Rehefa mandry ny omby dia miroso amin’ny dingana manaraka. Samy maka ny toerany ny olona rehetra ka ny tompon- draharaha dia tsy maintsy aorian’ilay omby no misy azy.

91 RAJEMISA (R), op, cit, p. 651

65

Izany fomba fipetraky izany dia fahita koa any amin’ny foko hafa manerana ny Nosy. Manaporofo izany ny ambaran’i LAHADY any amin’ny foko Betsimisaraka manao hoe: “Ny tompon-draharaha sy ny fianakaviany, mitoetra aorian’ny omby, eo alohan’ny olona mpanotrona rehetra; samy mitodika miantsinana avokoa.”92

Ny fotoana Mazàna ny fotoana fanaovana ny lanonana any an-toerana dia amin’ny fotoam- pararano: ny volana jona ka hatramin’ny aogositra, saika fahita izany manerana ny Nosy. Misy anefa ny tranga maningana indraindray. Ohatra, tamin’ny fahan-jafy izay natrehinay dia ny janoary ny 2012, tao anatin’ny fotoam-pahavaratra tanteraka. Zava-dehibe ny fotoana amin’ny fanatanterahana fomba amam-panao malagasy. Tsy mety ny manaotao foana araka izany fa, tsy maintsy manontany mpanadro. Io izany dia olona mahay manokana momba ireo zavatra misy eny amin’ny habakabaka. Ohatra ny fipetraky ny kintana, ny volana, ny masoandro. Andraikiny no mijery ny andro tsara amin’ny fanombohana asa sy ny hanatontosana ny joro. Fantatra àry fa, amin’ny ankapobeny ny jamà any amin’ny Marofotsy dia amin’ny fotoanan’ny miaka-bolana na volana fenomanana. Manomboka ny zoma hariva ny fidiran’ny lanonana ary mandoaka ny alina. Ny sabotsy maraina manodidina ny 8 ora eo ny fampidirana ny omby ao Ambalamena ary ny miakatrandro any ho any amin’ny 9 ora kosa ny fanatontosana ny joro. Zava-dehibe ny fanajana ny fotoana amin’izany. Rehefa fantatra ny daty dia miroso amin’ny dingana manaraka.

2.2.1.4. Ny fanasana ny olona

Manerana an’i Madagasikara dia misy hatrany ny taratasy fangatahana alalana amin’ny fanjakana mialoha ny lanonana. Manampy izany, misy ny fampandrenesana ny manodidina na amin’ny fotoam-pifaliana izany na fahoriana.

92 LAHADY (P), Le culte betsimisaraka, op.cit, p.74 « Le maître de la fête et sa famille prennent place derrière le zébu, là, devant la communauté; tous se tournent en direction de l’Est. »

66

Izany dia mariky ny fahaiza-miaina sy fiaraha-monina amin’ny hafa ary indrindra ny fitiavana ny fihavanana. Maro ny endrika isehoan’ny fampandrenesana: am-bava sy an-tsoratra. Ankehitriny, efa mivoatra ihany koa ny filazana an-tsoratra, misy manao taratasy fanasana tahaka ny aty andrenivohitra, voahaingo sy mihaja fatratra. Taloha anefa dia ravin- kahie no nanaovana azy. Marihina fa tsy mbola misy telefônina any an-toerana.

Ny fangatahan-dalana amin’ny fanjakana

Mifandray hatrany amin’ny fanjakana ny fanatanterahana fomban-drazana. Misy ny lalàna mifehy ny fiarahamonina. Ao amin’ny fokontanin’Ambodivoara, ohatra, tsy maintsy manao fangatahan-dalana atao an-tsoratra, mivantana amin’ny prezidan’ny fokontany ny tompon-draharaha. Misy sarany 5.000 Ar izany, ka tompon’andraikitra amin’ny fandrindrana ny filaminana ny mpitondra mandritra ny fotoana voatondro ao amin’ny fangatahana.

Ny fanasana atao am-bava

Misy sokajiny araka izany ireo olona asaina: ao ny havana iray rà (tarika), ao ny havana ara-panambadiana, ny havana foronina toy ny fati-drà, sy ny ziva ary ny fokonolona. Tetezina an-trano tsirairay avokoa ireo, ary izao ny fitondrana kabary amin’izany:

“Mampandre anareo, hono, ry Ra...izy mivady fa misy sora-draharaha kely ataony amin’ny izao daty amin’ny 9ora koa tsy maintsy mampilaza antsika mianakavy mba samy hanatrika, koa dia ilazao izay tsy eto e, zany hono, e! Koa ny vehivavy mitoto vary amin’ny andro (tononina), ny lehilahy kosa maka kitay sy manenjika omby (daty) amin’ny”

Mamaly izany ny tompon-trano nampandrenesina manao hoe:

« Eny àry tompoko, misaotra mampandre fa mbola hajainareo ny maha lafin- kavana koa ny hany firarianay dia ny hoe: enga anie mba ho tsotsoraka soa aman- tsara, ny lanonana, tsy hisy sampona fa mba samy ho salama isika mianakavy e! Ho tahian’ny razana avy, koa dia lazao any amin’izy roa lehibe any ny fisaoranay, fa dia renay tokoa, tompoko, izany. »

67

Ny fitetezan-trano dia mariky ny fifanajana, amin’ny maha mpihavana, mpiray monina.

Zavatra tsara no iriana ho azo amin’ny fahan-jafy, noho izany halavirina ny mety hampisy olana eo amin’ny fiarahamonina. Tandrovina hatrany izay fomba mahatsara ny fifandraisana. Na izany aza anefa, aorian’ny fitetezan- trano dia tsy maintsy asiana ihany ny antso lava fampandrenesana ny fokonolona. Ny mpiantso, no tompon’antoka amin’izany manao hoe:

« Mampandre anareo fokonolona rehetra hono e, Ranona fa misy joro ataony e amin’ izao daty amin’ny 9ora, koa samia tonga manatrika izany e. » Ny antony izany moa dia mba hifanotronan’ny rehetra hanatrika ny fotoana.

Sady toetra mampiavaka ny Malagasy raha teo koa ilay hoe: firaisan-kina no hery, ary ny joro dia vavaka araka izany, efa raikitra ao an-tsaina koa ilay fiheverana hoe: “ny vavaky ny maro maha loaka ny lanitra.” Eo amin’ny tapa-bolana mialoha ny jamà ny filazana raha tara indrindra, mba hahafahan’ny olona miomana.

Ny fanasana an-tsoratra

Ankoatra ny fitetezan-trano, misy ihany koa ny fampandrenesana an-tsoratra. Matetika ireo tapaka sy namana monina lavitra ny tanàna no tolorana izany. Alefa isan-tarika ny taratasy amin’izany, fa mitovy amin’ny filazana am-bava ihany ny votoatiny. Ny zatovolahy matanjaka ao amin’ny fianakaviana no manatitra ny taratasy.

Ireo olona mpitondra fanjakana dia ao anatin’ity filazana an-tsoratra ity koa. Atao anaty valopy fotsy izany ho mari-panajana azy ireo. Ny ray aman-dreny solontenan’ny fianakaviana no manatitra izany any amin’ny birao. Natao ihany koa izany mba hialana amin’ireo mpitondra sasany sao tsy tratra antso. Tsy maintsy atao mantsy izany any ambanivohitra amin’ny maha tompon’ andraikitra ambony ireo olona ireo eo an-tanàna. Izay ny dingana fanomanana. Izao manaraka izao kosa ny dingana fanatontosana ny fahan-jafy.

2.2.2. Ny fotoana fanatontosana

Misy ny fotoana nanomanana ka tsy maintsy ho tonga ny andro iray toa zato natokana hanatanterahana ny fomba fahan-jafy.

68

2.2.2.1. Ny famanana lapa

Miavaka ny fotoana firavoravoana any amin’ny Marofotsy. Tsy maintsy atao maresaka ny toerana hanaovana ny lanonana, ny lapa. Ivo toerana ihaonan’ny olona rehetra. Ohatra ny fanaovana ny joro, ny fandraisana ny vahiny sy ny tsodrano aterin’ny olona. Amin’ny andavanandro ny lapa any an-toerana dia efitrano iray lehibe, koa isam-pianakaviana manana izany avokoa, ary ao amin’izany ireo tovolahy na tovovavy tsy mbola manambady ao amin’ny fianakaviana no miara- matory. Amin’ny fotoana fanaovan-danonana ny mamana lapa: dia lanonana atao ny hariva mialoha ny andron’ ny fahan-jafy. Vory lanona ny vahiny nasaina sasantsasany amin’izany miampy ireo fokonolona eo an-toerana. Manomboka eo dia efa maresaka ny lapa satria ahitana ireo karazana lalao maro samihafa toy ny: ny hira ketsa, ny dihy dabo-latsaka, ny jijy ireo dia vako-drazana marofotsy miaraka amin’ny zava-maneno toy ny kabôsy na gorodao, ary ny rombo. Marihina fa ireo olona efa matoy no manao izany sisa ankehitriny. Ny tanora kosa dia efa mandihy amin’ny alalan’ny hira izay mandeha amin’ny kapila mangirana”CD”, misy koa ny mandefa sarimihetsika. Izay hetsika rehetra izay no antsoin’ny Marofotsy hoe: “mamana lapa”. Saika fahita izany manerana an’i Madagasikara. Any amin’ny faritra hafa kosa dia hoe: “tsimandrimandry” no filaza azy. Marihina moa fa matetika ihany koa amin’ny fotoana tahaka izao no natao hitadiavam-bady ho an’ireo tanora. Mandritra ny fotoana famanana lapa dia tsy tapaka ny mitaho toaka ny tompon-danonana, misy ihany koa ny zava-pisotro hafa toy ny kafe…

Tsy amin’ny fomba nentin-drazana ihany anefa no ahitana trangan-javatra tahaka izany fa manao tahaka izany koa ny mpino kristianina amin’ny finoana sasantsasany rehefa misy fety ataon’izy ireo. Mazava fa antsam-panahy sy fotoam- bavaka no tanterahiny mandritra izany, fa ny itovizany dia hoe fotoam-pifaliana tanterahana mialoha ny lanonan- dehibe.

Ny fandraisana ny vahiny

Adidin’ny tompon-draharaha ny fiantohana ny vahiny tonga manotrona azy: na eo amin’ny sakafony, na ny trano fitobiany. Matetika ireo havana avy lavitra matahotra ny ho tara fotoana maraina no tonga amin’ny takariva mialoha ny lanonana sady mamonjy ny famanana lapa. Ireo monina akaiky kosa tonga vao

69 maraina be. Ireo vahiny avy lavitra matetika dia manome tsodrano mialoha ny joro ny ankamaroany, satria misy amin’izy ireo no mandeha mamonjy fodiana avy hatrany rehefa vita ny joro.

Any an-toerana ny atao hoe tsodrano dia tolotra omena ny tompon-draharaha, ireto avy no entin’olona amin’izany: toaka, vary, vola fa ity farany no saika tsy miala na eo aza ireo hafa ireo fanampiny. Misy ny kabary hifamaliana amin’ny fanolorana izany araka izao manaraka izao.

Mpanatitra:

« Eny àry e, indreto izahay, Tompoko, nahare ny filazana, koa tonga eto handrotsaka ny tsodrano satria moa izany dia zava-mahery tokoa, ary samy mila azy ny olombelona tsirairay. Koa dia ity misy vola kely, telo na efatra arivo kely dia kely tokoa, Tompoko, hanamasinana ny zavatra atao, koa dia ny firarianay Tompoko dia aoka anie hohambinina amin’ny zavatra rehetra hatao ny ankizy sy hitombo ny taranaka.93 »

Marihina fa miankina amin’ny tolotra nataon’ny tompon-jamà tamin’ny mpiaramonina, ny mahabe na maha kely ny vola azony. Misy araka izany ny mpitan- tsoratra, mandritra ny jamà, hitehirizana ireny tolotra voaray ireny, satria ireny dia tsy maintsy valiana indray andro any. Rehefa voatolotra ilay tso-drano dia mamaly kabary ny tompon-draharaha manao hoe:

Mpandray:

« Misaotra anareo, Tompoko, Andriamanitra hanampy, Zanahary hitahy, ho lava andro iainana, hitady hahita, fa dia misy tokoa ny sakaiza tiana sy ny havana tsy mahafoy. Raha vao nahazo ny filazana ianareo dia tonga nanatrika sady mbola nitondra vola aman-karena ihany koa. Be dia be io, Tompoko, fa tsy kely fa ny hany atao dia hoe mitomboa be ny nialany.94 » Aorian’izany, vao miroso amin’ny fifanantsafana ny vaovao ny roa tonta ary mandritra izany, tolorana fanalana hetaheta ireo vahiny ireo: ny toaka sy ny zava-pisotro hafa toy ny coca, kafe, dite…

93 RAKOTOARITOMPO, ray aman-dreny ao Ambodivoara 94 RABEZAMANY, ray aman-dreny ao Ambodivoara

70

Izao ny teny fohy fanao amin’izany: « fifaliana moa izao leireitsy koa ireo misy zavatra kely voatsirambin’ny tanana, ao ny mafanafana kely, ho an’izay mbola tsy niady taminy, ireo ihany koa ny zavatra hafa koa dia manjaria sandry tompoko ».

Koa kaopy iray ihany no itahona ny toaka, amin’ny olona rehetra iray trano. Ny anton’izany dia mariky ny fifampitokisana, ny fihavanana.

« Karazan-takalo ihany ny fihavanana, saingy tsy vitam-bola aman-karena fa vitan’ny fitia mifamaly kosa. » Izay voalazan-dRAHAJARIZAFY95 izay no azo ilazana ny toe-java-misy amin’ity fanaterana tsodrano ity. Marihina anefa, fa sady vola amin-karena sy fitia mifamaly na adidy ihany koa ny fihavanana.

2.2.2.2. Ny fampidirana ny omby ao ambalamena

Hoy i VAN GENNEP: “ny riba fiampitana dia miorina amin’ny fomba fisesin’ireo fitsipi-danonana izay arahina fomba fiampitana, avy amin’ny toe-javatra iray mankany amin’ny toe-javatra hafa, ary avy amin’ny tontolo iray miditra any amin’ny tontolo hafa.”96 Noho izany amin’ny fomba manetriketrika no anatontosana ny fidiran’ny omby ao Ambalamena. Miala avy any am-bala ny omby dia miakatra an-dapa eo an-joro firarazana. Ny fokonolona rehetra dia asaina amin’ny ronto lava ao an-tanàna: izany hoe mikaika mafy mandehandeha eran’ny tanànany mpiantso manainga ny olona mba hitsena ny omby manao hoe:

“Ianareo fokonolona rehetra e! Andao daholo hono e ho any am-bala hampiakatra ny omby e!. Malakilaky ianareo fa mandeha ny fotoana e!”97

Marihina fa fitafy vaovao no entin’ny olona mitsena ny omby. Ny zaza amam-behivavy no mandeha mialoha ny omby. Ny ataon’izy ireo amin’izany dia: mihira, mandrombo, misy koa ny mandihy. Maharitra eo amin’ny adiny iray ny faharetan’ny izany. Ny hetsika rehetra atao dia miaraka amin’ ny zava-maneno. Toy izao ny santionan’ny fiverenan-kira ventesina amin’izany:

“Omby am-bala, omby am-bala izy io ô

95 RAHAJARIZAFY, Hanitra nentin-dRazana, edisiôna Ambozontany Fianarantsoa, 1975, p.22 96 VAN (G), Les rites de passages, 1909, p.17 « les rites de passage sont constitués, par toutes les séquences cérémonieelles qui accompagnent le passage d’une situation à un autre, et d’un monde à un autre. » 97 RALEBARISOA mpiantso ao Ambodidvoara

71

Omby am-bala tsy masiaka izy io ô

Ô ia e! Masiaka ny ombin’i Belahy.”

Mizara roa kosa ny gaon-dahy amin’ny fandroahana ny omby hiakatra ao an- dapa: ao ireo manesy ny omby avy ao afara, ny sasany kosa misintona azy amin’ny tady mahazaka eo aloha. Mandritra izany izy ireo dia mitsao: izany hoe miventy hira izay fanao any an-toerana. Tanisaina amin’io rango io avokoa ny hery sy ny tanjaky ilay omby nandritra ny fanenjehana azy tany an-kijàna. Marihina moa fa ny omby atao sorona dia voafantina tao anatin’ny maro: matanjaka, matavy ary tsy misy kilema. Koa tamin’ny andro taloha hoy ireo zokiolona tany an-toerana dia tsy maintsy volon’omby fangoromainty mitahampara na fehikira no vonoina amin’ny joro fahan-jafy. Izany hoe: omby mainty misy fotsy eo amin’ny rambony. Ankehitriny kosa dia ny mpimasy no mametra izany. Izy no mahalala izay mety hahasoa ny tompon-draharaha.

 Ny fitsofan-drano ny omby Hoy i Henri DUBOIS. “Tsy azo atao ny mamono omby tsy amin’antony”98. Ny omby no faratampony amin’ny biby fiompy. Manana fiheverana manokana momba ny omby ny Marofotsy dia hoe biby manan-kasina. Izany moa dia iombonany amin’ny Malagasy rehetra. Araka izany, tsy maintsy misy ny fombafomba atao mialoha ny hamonoana azy. Ohatra ny fanolorana azy amin’ny olon-drehetra, ny fanomezana azy tsodrano. Toy izao manaraka izao ny fomba arahina amin’izany.

Misy ny kabary fohy ataon’ny tompony manao hoe: « io ilay omby e, jereo tsara an, sao misy kilema, sao omby halatra ».99 Manaraka izany, dia tsofiny rano ilay omby manao hoe: « Mandria tsara be ianao e, tsy hoe akory ianao harena tsy tiana na omby tsy tandry vala fa angatahako fitahiana ho an’ny taranako ianao, koa mandria tsara ianao e! »100 Izany rehetra izany no atao dia ny maha zava-dehibe ny

98 DUBOIS(H), Monographie du Betsileo, Edition Paris, 1938, p.464 « On ne tue pas le bœuf sans motif » 99 RAZAFINDRAIBE ny ray aman-dreny ao Ambodivoara 100 RAZAFINDRAIBE Etienne, ray aman-dreny

72 omby sy ny fahaiza-miaina ao amin’ny fiarahamonina, ialana ihany koa amin’ny izay mety ho disadisa amin’ny resaka halatr’omby.

Tsy maintsy atao ny filazalazana ny momba ilay omby. Ohatra raha omby avy novidina dia tsorina amin’ny mpiara-belona rehetra vory eo izany. Mila mangarahara araka izany ny zavatra rehetra atao amin’ny joro indrindra ny resaka omby.

Biby miavaka amin’ny biby rehetra any an-toerana ny omby noho izy manana ny hasiny. Manamafy izany ny filazan- dRAHARIJAONA azy hoe: “Ny OMBY aloha, dia zavamananaina aman-dRA izay eken’ny finoana Malagasy fa mahalavorary indrindra ny fanao rehetra ara-pivavahana.”101 Ary lazain’i JACQUE Faublée koa fa “ny omby dia mpanelanelana tena ilaina eo amin’ny fifandraisan’ny olona sy ny hery mihoatra ny mahaolona”102

Tsara ho fantatra ihany koa fa mandritra ny joro izay atao, rehefa mibareoka na mikofokofoka ny omby atao sorona dia ratsy laza ilay lanonana. Midika izany fa io omby atolotra io dia tsy foin’ny tompony tanteraka. Izany trangan-javatra izany, dia zary henatra sy baraka ho an’ny tompon-danonana. Koa zava-dehibe araka izany ity dingana fitsofan-drano ny omby ity.

Ny fitaovana Saika fahita manerana an’i Madagasikara, ny tolotra sy ny fitaovana vitsivitsy ampiasaina rehefa manao fomban-drazana. Manaporofo izany ny voalazan’i BERTHIER103 hoe: “Ara-pitaovana, misy manao tolotra vary, ny tantely, ny vola, na ilon- tantely na tavin-kena, na zava-manana aina alatsa-drà.” Raha ny zava-misy any an-toerana dia mazava fa isaky ny mijoro ny olona dia tsy maintsy misy hatrany ny fitaovana ilaina amin’izany. Tamin’ny fahan-jafy izay natrehinay dia ireto manaraka ireto ny zava-nisy tamin’izany: ny zava-manana aina toy ny omby, ny zavamaniry: toy ny Betsimihilana, ary ny vakana isan-karazany: toy ny tongarivo, ny malaimisaraka, ny arivolahy, ny felantanatsifoana, ny vakamiarina, ny vakatody.

101 RAHARIJAONA (S), Ny fandroana, in Hiratra n°2, Université de Madagascar, Département de Langue, Littérature et civilisation malgache, 1980, p.117. 102 LUIGI (E), Une civilisation du bœuf, les Bara de Madagascar, Editions Ambozontany Fianarantsoa, 1993, p.3 103 BERTHIER (H), Les Mœurs et Coutumes du peuple Malgache, Tananarive, 1933, Tak.49 « Matériellement, le sacrifice consiste à faire des offrandes de riz, de miel, d’argent, des onctions de miel ou de suif, ou à immoler des êtres vivants. »

73

Anaty lovia fotsy madio feno rano mangatsiaka izany no mipetraka. Aseho eto ambany ny sary maneho izany.

Ankoatra izany dia ny toaka gasy anaty tavoahangy iray litatra. Ireo fitaovana rehetra ireo dia samy eo ambony tsihy fotsy madio. Hojerena any amin’ny fizarana manaraka ny hevitra fonosin’ireo fitaovana ireo sy ny anjara asany.

Sary 6: Ireo fanafody Vakatody

Betsimihilana

Malaimisaraka

Arivolahy

Vakamiarina

Felatanatsifoana

Tongarivo Vakamiarina

Naka ny sary: Lyve Michaelà

Marihina fa baiko avy amin’ny mpimasy ny fampiasana ireo fitaovana voatanisa ireo, fa tsy miankina amin’ny tompon-draharaha velively.

Ireo mpandray anjara

Misy olona sasantsasany manana anjara asa miavaka amin’ny rehetra any amin’ny Marofotsy amin’ny fiantsoana ireo zava-masina rehetra. Ohatra ao ny olona velon-dray aman-dreny, ny mpijoro, ny zafikely.

74

 Ny velon-dray aman-dreny:

Araka ny filazan’i COUSINS azy dia hoe: “Ny “velondraimandreny” dia foko natokana ho mpisantatra ny zavatra maro mikasika ny Andriamanjaka”104.

Ny atao hoe foko eto, dia azo lazaina fa “fianakaviana na antoko, fikambanan’ny olona”105. Eto amin’ny fahan-jafy kosa, ny lazaina hoe: velon-dray aman-dreny dia olona mbola manana dada sy mama, miaina sy miriaria eo anivon’ny fianakaviana. Ny tahaka izany dia azo lazaina fa olona miaina ao anatin’ny fahasambarana. Olona nofidin’ny tompon-draharaha ny velon-dray aman-dreny, natao hisantatra ny fitenenana amin’ny joro izy. Misy ny fepetra araka izao manaraka izao amin’ny fomba fifidianana azy. Izy dia lehilahy matanjaka ary manga feo, manana fitondrana tena mendrika eo anivon’ny fiaraha-monina. Adidiny ny mikoka intelo manao hoe: “O! o! o!” Aorian’izany vao miroso ny mpijoro.

 Ny mpijoro:

Ny mpijoro amin’ny ankapobeny dia lehilahy efa nahazo taona. Tahaka ny tamin’ny olona velon-dray aman-dreny ihany koa dia misy ny fepetra arahina. Olona nofidin’ny tompon-draharaha ny mpijoro. Olona efa manana traikefa manokana momba izany izy eo amin’ny tany ama-monina. Misy aza sady mpimasy izy no mpanandro ihany koa. Ny mpijoro dia tsy maintsy olona manana toetra amam- piainana mendrika eo anivon’ny fiarahamonina. Izy no mandray ny fitenenana, miantso ireo zava-masina sy mampita amin’izy ireo ny hetahetan’ny tompon- draharaha. Azo ambara fa izy no “solombavambahoaka” izay vory manatrika ny lanona. Marihina anefa fa efa misy ihany koa vehivavy mahay mijoro ao Ambodivoara. Koa santionan’ny joro ataony no atolotray any amin’ny tovana. Vehivavy mpitaiza olona izy, manana tromba. Tsy mitady olon-kafa izy hijoro raha misy lanonana ao amin’ny fianakaviany fa izy ihany dia mahavita azy.

104 COUSINS, Fomba malagasy, Trano printy Imarivolanitra, Tananarive, 1963, p.161 105 Akademia Malagasy misahana ny Haikanto sy ny Hailaza ary ny Hairaha, Rakibolana Rakipahalalana, Edision Antananarivo, 2005, p.458

75

2.2.2.3. Ny fiantsoana ireo zava-masina rehetra

Rehefa vita avokoa ny fikarakarana rehetra ary efa mangina tsara ny olona dia miroso amin’ny fiantsoana ireo zava-masina ny mpijoro manao hoe:

“Ary miantso e, miantso anareo Andriamanitra sy miantso anareo Zanahary fa ianareo no nahary ny zavatra rehetra ety ambonin’ny tany koa raha misy antony hataonay zanak’olombelona, dia tsy afaka ny hanaotao foana izahay, fa tsy maintsy mahatsiaro anareo Andriamanitra sy nareo Zanahary.

Voaantso izany dia miantso ny tendrombohitra roa ambin’ny folo aho, ny vazan-tany efatra, indrindra fa ny afovoan-tany fahadimy; antsoina izany e, avia manatrika, avia manoloana. Voalohany miantso ny ao atsimo aho: Ao Ambohimanga, ao Antananarivo ao Ilaidama ray, Ranavalomanjaka manana ny hasiny izany, manana ny voninahiny antsoina koa izany avia manatrika avia manoloana e, manopaza rano hangatsiatsiaka hanaranara. Raha voaantso izany, antsoiko ny lafiny atsinanana: ao ianao Andrianonibelaza, ny ampelatokanono; izany no manana ny hasiny, manana ny voninahiny ka tsy maintsy antsoina koa izany avia manatrika, avia manoloana, manipaza rano hangatsiatsiaka hanaranara. Raha voaantso izany dia antsoina ny lafiny avaratra, ao ny misy azy izy efa-dahy: Ingahy Andriamisara izany; aoka tsy hahafaty tanora na tsy hahafolaka an-dantony ahy ny anantsovako ny anaranareo, f’ianareo no tompon’ny vahatra, tompon’ny kakazo, manana ny hasinareo koa nareo, manana ny voninahitrareo; koa antsoina izany avia manatrika, avia manoloana e! Voaantso izany dia antsoina ny lafiny andrefana: ao ianao Rafotsibe Ravola; ianao no nitoto nahafotsy, nahandro nahamasaka, Rafotsy Marozaza nahalehibe ny lehibe, nanabôtibôty ny madinika, ao Ikotofotsy, ao Mbaraka tsy matahotra adidy irahina alina dia mandeha alina irahina antoandro dia mandeha antoandro; antsoina izany e, avia manatrika, avia manoloana e! Rehefa izany dia antsoina ny avy amin’izany ny tampon’Androfia, Kiraovankely, Kiraovambe, ny tampon’i Keliloha, tampon’Antsohihy, Andranohovy, Andranganala, Andranoila, antsoina izany avia manatrika, avia manolona. Antsoina koa ny vavaranon’ i Tsimalahy, satria ianao no nisehefana mahamanina, nisotroana nahavoky koa tsy maintsy antsoina ianao avia hanatrika, avia hanoloana, misy ny

76 antony ka tsy maintsy miantso anao izahay satria ianao no nanasoa ny kely nanabôtibôty ny lehibe.

Raha voaantso izany dia antsoina ny afovoan-tany fahadimy izany, eto amin’ny tanin’Ambodivoara satria eto ny tany onenana: Voalohany indrindra ao ianao Ingahibe Andriamanarakanaka; f’ianao no ao an-doha-mandrinay, nanilika tain-Dambo tamin’ity tany ity, niaro anay andro aman’alina; tsy dia hoe farany antsoina akory aloha ianao fa ny lavitra no antsoina satria efa lavitra izany no ilazana azy koa avia ianao Ingahibe e, avia manatrika e, avia manoloana e, manipaza rano e, hangatsiatsiaka hanaranara e! Voaantso izany dia antsoina amin’izay ny Razana na ny Razana lehilahy na ny Razana vehivavy izany no niandohana izany no niafarana; koa antsoina izany e, avia manatrika e, avia manoloana, manipaza rano hangatsiatsiaka hanaranara.

Vita izany dia: izao ny antony anantsovana anareo, eto akory tsy dia misy toaka be amin’ny damizana fa ômby mifatotra an-jôro firarazana; koa misy ny antony ifatoran’io ômby io dia izao hazavaina manaraka izao. Ny olombelona dia tsy maintsy misy ny atao hoe fahanterana. Izany dia zavatra angatahina andro aman’alina aminareo Andriamanitra sy ny Zanahary ary ny Razana, ny mba hoe: ho tratra antitra, ho ela velona, hotoloran-jafy tehina, hanam-bola, hanan-karena. Tratrany aho izao e! koa noho izany misy ny fomban-drazana tsy azo ariana. Amin’izao fotoana izao aho dia hanao azy. Izany hoe hamahan-jafy koa noho izany dia hanao azy izaho amin’ny masonandro androany satria androany no voatondron’ny mpimasy. Io ômby io, an-jôro firarazana io dia hovonoiko hiarahako mihinana amin’izany zafiko izany satria mbola takany izany aho. Ka hanao azy aho niany koa izay no ampandrenesako anareo rehetra voatonina anarana teo, koa izay ny joro e, angatahina e , koa ny joro ataoko anie e aloka maina andro ka ny avo tratrany ny iva tratrany raha teo.”106

Miara-miteny ny vahoaka rehetra manatrika izany manao hoe:

“Koa dia hahasoa, hahatsara Andriamanitra Andriananahary e!!!”

106 Ingahy RAMIADY, mpijoro

77

Izany no joro nataon’Ingahy MIADY tamin’ny fahan-jafy izay natrehinay ny taona 2012. Mandritra izany vavaka toa efa vita tsianjery izany, ny vahoaka rehetra mangina sady mijoro mitodika miantsinanana.

Ny mpijoro dia nanana ny toerany manokana, somary nisintaka izy niala kely ny vahoaka. Naka ny sisiny atsimon’ilay omby. Ireo zafikely kosa aorian’ny omby ary mitana ny rambony. Izao ny sary maneho izany.

Sary 7: Ny joro

Naka ny sary : Lyve Michaelà, 2012

Vita ny joro dia ampisotr oin’ny mpimasy ilay fanafody tanaty lovia ireo zafikely ireo, aorian’izany fafazany an’io ranon-joro io ihany koa ny vahoaka rehetra. Ny toaka amin’ny tavoahangy kosa raisin’ny zaman-jaza. Rarahany kely aloha tamin’ny tany ho an’ny razana, izany moa dia fomba fanaon’ny Malagasy. Rehefa vita izany, izay vao nitaho ilay toaka izy ho an’ny vahoaka.

Ny lehilahy matanjaka izay efa nosafidin’ny tompon-jamà kosa dia manomboka mandidy ny tendan’omby. Marihina fa ny ràn’ilay omby dia avela very miparitaka eo amin’ny tany, voarara ny manangona izany. Ny zafikely sasantsasany

78 izay avy nisotro fanafody kosa mamelatra ny ravin’akondro ametrahana ny hena hozaraina araka ny sokajin’olona tsirairay.

Ny zara hena Hoy ny fitenenana hoe: “tsy misy manana ny ampy fa sambatra izay mifanampy.” Zava-dehibe ny fifampizarana fa indrindra ny tsy maintsy iaraha- mihinana. Izany dia mariky ny fifankatiavana. Izay ilay hoe “nofon-kena mitam- pihavanana”, izay fomba saika fahita manerana ny Nosy.

 Ny anjara henan’ny zafikely. Ny trafo no alaina voalohany amin’ny hena. Ny trafon’omby no entina hamahanana ireo zafikely. Fantatra fa eo amin’ny vatan’omby dia miavaka ny trafo manana toerana ambony izy. Misy hevitra fonosiny araka izany ity trafon-kena ity: andaniny, eo ny bika aman’ endrika manintona ny maso. Ny trafo no haingon’ny omby. Io no kendren’ny mpitolona omby rehefa misavika izy. Azo ambara fa ao ihany koa izany no misy ny heriny, ankilany, eo amin’ny resaka tsiro. Ao amin’ny trafo no misy ny tavin-kena. Ny fihinanana trafon-kena izany dia mariky ny fiandrianana, ny fahamboniana. Ireo raibe nanome ity karazan-kena ity tamin’ny zafiny dia manana fiheverana hoe: « tolorana zava-tsoa ireo mba hanana hambom- po, hahavita hitady harena ka tsy ho resy tondro maso eo amin’ny fiarahamonina ».

Teo amin’ny Ntaolo, anisan’ny hena manana ny anjara toerana ambony ny trafo. Sakafo natao “ho an’ny Andriana sy ny mpanotrona azy”hoy ny filazan’i COUSINS107 azy. Marihina fa amin’ny fomba fanaon-drazana any an-toerana dia amin’ ny fahan-jafy ihany no misy fihinanana trafon-kena. Koa rehareha sy hafaliana izany ho an’ireo zafikely, manoloana ireo zaza mpiray mihira aminy hoe: « zahay nihinana trafon-kena an! ».

Ny vinantolahy velon-dray aman-dreny no maka sady mahandro azy. Noho izy ireo azo ambara fa olona tretrika eo amin’ny fiainana satria mbola manana andry iankinana dia ny masoandro amam-bolany: dia ny ray sy ny reniny. Rehefa azo ny henan’ireo zafikely vao mizara ny an’ny sisa hafa rehetra.

107 COUSINS, op, cit, p.157

79

 Ny anjara henan’ny mpanotrona Voalaza tany aloha fa manana rafi-pandaminana ny fiarahamonina ny mponin’ Ambodivoara. Ohatra misy ny fitsipika ifampitondrana ao an-tanàna: ohatra ny olona feno 18taona no ho miakatra ao an-tanàna izay ao anaty lisitra dia omena hena 1/4kg isan’olona, koa samy mahandro ny azy any an-tranony ny tsirairay fa tsy misakafo ao amin’ny tompon-draharaha”108. Koa noho izany dia tsy maintsy ny antsasaky ny hena iray manontolo no atolotra ny fokonolona. Ankoatra izany, misy ireo sokajin’olona notsongaina tolorana anjara hena manokana. Izay aseho amin’ny fafana eto ambany ny mombamomba izany.

Fafana 6: Ny fitsinjarana ny hena

Sokajin’olona Anjara hena

Ny zafikely Trafo

Ny fokonolona Antsasan-kena

Ny mpijoro Salovana

Ny mpanantso Loso

Ny mpandrasa Vozony

Ny ziva Izay tiany alaina

Ny tompon-draharaha Tongotra sy ny loha

Ny vinanto Rabony

Ny mpandidy ny tendan’omby Fo

Ny hena sisa tsy voalaza ao amin’ny fafana dia natao sakafom-bahiny tonga nanotrona ny fotoana. Ny “matrakatrakany”109 rehetra kosa dia atao laoka ny hariva.

Ohatra ny « tsivakindraiandron-kena » : io dia anisan’ny taovan-kena, ilay misy ny tranon-tain’omby, antsoina ihany koa hoe : vorivorin-kena.

108 Andriamatoa TSAFILO, filohan’ny fokontany, 109 Taovan-kena

80

Misy koa ireo tompon-draharaha no mizara ny ambin- kena amin’ny tapaka sy ny namana toy ny mpahandro sy ny mpikarakara. Marihina fa tsy nisy ambiny mihitsy ny omby novonoina tamin’ity fahan-jafy natrehinay ity. Lany tanteraka tao anatin’ny indray andro ny hena rehetra afa-tsy ny tongony sy ny lohany izay tsy maintsy mijanona ho an’ny tompom-bala na fahitra.

Izao àry ny hevitra fonosin’ny tsinjara hena araka ny hita eo amin’ny fafana eo ambony. Ny trafo sy ny anjara henan’ny fokonolona moa efa volaza teo aloha ny momba azy. Ny salovana indray dia tritrin’omby mitondra ny kibony. Alaina manodidina, atao manana endrika boribory. Maneho haja atolotra ny mpijoro izany noho izy niantso ireo zava-masina rehetra.

Ny loso indray dia hena misy hozatra eo amin’ny fen’omby. Tolorana ny mpiantso noho izy mandehandeha eran’ny tanàna amin’ny fanaovany ny asany. Antony dia mba tsy hahaketraka azy.

Ny vozony no anjaran’ny mpandrasa satria hena mafy izy io koa ny manana antsy maranitra no mahay mitetika azy.

Ny ziva dia efa voalaza tany aloha ny fomba fiainan’ny mpiziva eo amin’ny fiarahamonina.

Ny tongotra sy ny loha no anjara henan’ny tompon-draharaha. Ny faritry ny loha no misy ny taovam-pandrenesana, zava-dehibe izany. Ny tongotra indray dia rantsam-batana ahafahana mijoro sy mamindra. Ireo hena ireo no lazaina any an- toerana hoe: fadim-bala. Izany hoe tambin-karaman’ny toerana nitehirizana ilay omby sy ny olona niandry azy.

Ny avokavon-kena na rabo-kena kosa no anjaran’ny vinanto. Hena tsy misy tsirony firy izy io nefa fototra iainan’ny biby tamin’ny fahavelomany. Maneho ihany koa ny anjara toeran’ny vinanto eo amin’ny fianakaviana izany.

Ny mpandidy ny tendan’omby kosa no mahazo ny fon-kena. Io taova io no ivon’ny aina eo amin’ny zava-manana aina. Marika fa nahavita ny asany izy dia ny namono nahafaty ilay omby. Ao amin’ny fo no fototry ny aina. Fanehoana fankasitrahana azy izany.

81

Raha izay ny momba ny zara hena dia manao ahoana kosa indray ny sakafo iombonana?

Ny fiaraha-misakafo  Ny sakafon’ireo zafikely Ao an-dakozian’ny lapa no andrahoina ny sakafon’ireo zafikely ireo. Misy ny fepetra sy ny fady amin’izany. Ohatra ny vinantovavy no mahandro ny vary ka tsy maintsy atao matoy tsara ny ranon’ampango. Mampody aina izany araka ny fomba fiheverena any an-toerana. Azo heverina ihany koa fa misy ny fitsinjovana hatrany ny fahanterana: olona matoy, mateza, ela velona. Ny vinantolahy no mahandro ny laoka. Marihina fa samy mbola velon-dray aman-dreny avokoa ireo mpahandro ireo. Tsy mahazo miovaova ireo olona mpahandro ny sakafo. Misy antony roa lehibe izany, andaniny dia mba hahamora ny fandaminana sy ny fanenjehena ny fotoana fisakafoanana, ankilany mba hitandremana amin’izay olon-dratsy mety hisompatra. Rehefa tsara masaka ny sakafo, dia miroso amin’ny dingana manaraka dia ny famahanana ireo zafikely.

Mandritra ny fotoana fandrahoana ny sakafo dia mitohy hatrany ny lanonana tsy maintsy atao maresaka ny manodidina ny lapa. Misy ny mandihy sy ny mihira. Anisany manafana ny lapa indrindra amin’izany ireo zafikely ireo.

Ao amin’ny lapa no atao ny famahanana an’ireo zafikely. Amin’ny ankapobeny, dia amin’ny mitatao vovonana amin’ny 12 ora any ho any no atao ny famahanana. Antsoina hivory ao an-dapa avokoa ireo zafikely rehetra. Mahazo manatrika eo koa ny ray aman-drenin’izy ireo sy ireo ray aman-drenibe ao amin’ny fianakaviana. Asaina mipetraka ireo zafikely ireo ary mitodika miantsinana. Mitsangana kosa ilay raibe ary manatrika ireo zafikely. Mitana lovia misy rano mangatsiaka sy ireo vakana isan-karazany voatanisa teo aloha izy amin’izany no mijoro manao hoe:

“Izao ny hafaliako e, tratra antitra aho ary nahita anareo. Izany no tena hasambarako satria lava andro niainana aho ary afa-niriaria niaraka taminareo. Koa faly aho raha faly, mitso-drano anareo sy mamahana anareo amin’ny foko madio androany. Izany no nahafoizako harena amahanana anareo satria tiako ianareo. Noho izany, dia mirary anareo tsirairay avy aho mba ho tratra antitra sy ho ela velona

82 tahaka ahy izao ianareo àry hihoatra lavitra avo roa heny ny taonako aza. Mitsodrano anareo aho, enga anie ianareo tsy ho resy tondro-maso amin’ireo zaza miara-milalao aminareo fa mba hahavita soa mihoatra izany ary ho mamy hoditra eo amin’ny mpiara-monina. Koa mirary aho raha mirary mba hanjary hery sy tanjaka ho anareo eo amin’ny fiainana anie izao sakafo izao.”

Rehefa tapitra izany teny izany dia miroso amin’ny dingana manaraka. Toy izao ny fombafomba arahina mandritra izany. Raisin’ny raibe ny rano anaty lovia dia afafiny amin’ireo zafikely ireo. Mifandimby manao toy izany avokoa ireo zokiolona vory manoloana izany. Rehefa vita izany, dia mitsangana mandeha ambaratonga manatona ny dadilahy sy ny dadiny ireo zafikely ireo. Ny zandry indrindra no mandeha mialoha. Ny raibe kosa mandray ny ventin-daoka ao anaty koveta ka manaikitra kely izany, manao tahaka izany koa ny vadiny, izay vao mampiditra izany ao am-bavan’ilay zafiny. Vita izany, dia samy maka ny toerana izay tiany ny zafikely tsirairay. Mahazo toerana tsara avokoa ny rehetra vao manomboka ny fiaraha- misakafo. Marihina fa tsy nisy zava-pisotro nomena ireo zaza ireo tamin’io fotoana io afa-tsy ranon’ampango matoy ihany. Mahazo mihinana izay danin’ny kibony ireo zafikely ireo. Izay ilay atao hoe: fahan-jafy fanaon’ny Marofotsy. Mandritra ny fotoana nisakafoanan’ireo zafikely ireo dia teo hatrany ireo ray aman-drenibe. Rehefa voky ilay zaza dia miandry baiko vao nahazo niala teo. Izao ny sary maneho ireo zafikely tamin’izany sakafo izany.

83

Sary 8: Ny zafikely misakafo

Naka ny sary: Lyve Michaelà, 2012

 Ny sakafo famahanam-bahiny Manana adidy miantoka izay hahafa-po ireo olona vahiny rehetra tonga nanotrona ny lanonana ny tompon-draharaha. Anisan’ny tandrovina amin’izany ny famahanana azy ireo: amin’ny henan’omby sy ny fanalana hetaheta ohatra ny toaka, ny zava-pisotro hafa isan-karazany. Ny mpiantso no manasa ny olona hisakafo; koa mandeha isan-tanàna ho an’ireo vahiny avy lavitra na isan-tarika mba hahamora ny fandaminana sy hahafahana manome fahafaham-po ny rehetra.

Izay ny dingana faharoa tao amin’ny fitantarana ny fizotran’ny fahan-jafy. Manao ahoana kosa àry ny dingana farany?

2.2.3. Ny fotoana famaranana

Amin’ity fotoana famaranana ity no anehoan’ ny tompon-draharaha ny hafaliam- pony amin’ireo tapaka sy namana vory tonga nanatrika ny jamà. Mibahan-

84 toerana amin’izany, ny fisaorana sy ny fankasitrahana ny tolo-tanana rehetra nataon’ny mpiara-monina taminy.

2.2.3.1. Ny fisaorana ny olona

Hoy RAHAJARIZAFY110 hoe: “[Ny fifanajana]. Io no voniny mahavariana indrindra. Ny fihavanana no tsara firobona, dia izy voakolokolo. Ary izy nokolokoloina fatratra, fototry ny fiainana manontolo mantsy.” Araka izany, amin’ny fotoana famaranana ny lanonana, aorian’ny sakafo dia misy ny fisaorana ataon’ny tompon-draharaha ho an’ny olon-drehetra. Voafaoka ao avokoa araka izany, ny olona rehetra nandray anjara, nahandro nahamasaka ny fety. Nisy ny kabary natao tamin’izany hoe: “Ka manao azafady e, amintsika rehetra, matoa moa mangataka azafady dia mitady fahanginana.

Voalohany indrindra dia miala tsiny eto anatrehanareo satria tsy mihazakazaka ho zokiny na midodododo ho rainy sanatria fa zanany ary tsy anao saonjo ka mihoatra an-joro ary tsy tehina ka hialoha Andriana. Fa miala tsiny, miala fondro satria ato ny ray aman-dreny efa ela nihetezana ka tsy tokony hialovan-teny. Ato koa ny lehilahy manana ny hajany ka hialako tsiny hialako fondro. Ato koa ny vehivavy loharano nisehoana satria ny tena tsy nitsontsorika avy any an-danitra na niseho tamin’ny vatan-kazo fa olombelona no nisehoana fa izy no kitapo nifonosana nitondra folo volana. Ato ihany koa ny matanjaka tômôbilin’ny lalana irakiraka amin’ny zavatra manahirana. Ato koa ny zaza indray nilalao sy mitovy taona, ato koa ny sakaiza tiana sy ny fati-dra tsara. Ato ny zaza valalatsimandadiharona. Miala tsiny e, miala fondro e! Ny tsiny moa efa ela no nanariana azy, ka ny tsiny zavaboarin’Andriamanitra koa dia apetraka eo akaikiny fa Izy mahalala izay atolony azy.

Koa ny saotra sy ny hasina atolotsika ny filoha eto amin’ny fokontany sy isika rehetra eo ambany fahefany. Ianareo tsy hoe mitangorona sahala amin’ny akanga mandraraka fa nandefasana filazana isam-baravarana, koa ny atao aminareo rey Tompokolahy sy Tompokovavy dia misaotra tahian’Andriamanitra, mitomboa andro lava iainana, hitady hahita, hila hahazo ary hambinina amin’izay tadiavina, hidina an-tsaha hanisa omby hiditra an-trano hanisa vola, hisondrotra voninahitra eo

110 RAHAJARIZAFY, opt, cit, p.31

85 an-toerana fa maminareo ny firaisan-kina sy ny fihavanana koa rehefa nahare ianareo dia tonga namonjy ny raharaha nanantsovana. Koa dia misaotra e, misaotra anareo Tompoko e!!!”111

Aorian’ny kabary dia aroso ny toaka izay fara-hakeliny eo amin’ny roa litatra eo ho eo ary tsy maintsy misy ihany koa zava-pisotro mamy.

Rehefa tapitra ireo tolotra ireo dia omena alalana mody ireo vahiny lavitra izay te handeha. Ireo izay mbola te hijanona kosa dia tsy sakanana. Miantoka ny famahanana azy ireo hatrany ny tompon-draharaha, ny lanonana raha teo koa mbola mitohy.

2.2.3.2. Ny fafa lapa

Rehefa vita ny fanadiovana ny vilia sy ny kojakoja rehetra nampiasaina, milamina ny rehetra dia miroso amin’ny lanonana antsoina hoe: fafa lapa ny tompon- jamà. Izany dia lanonana atao ny harivan’ny andron’ny fahan-jafy. Mandritra izany, misy ny zava-maneno maro isan-karazany tahaka ny natao tamin’ny fotoana hariva mialoha fa ny anarany no samy hafa. Amin’ity fotoana ity ny mpianakavy rehetra vao mba tena afaka mifaly tanteraka satria nahavita adidy.

Tsy ny Marofotsy ihany akory no manao toy izany. Hita koa izany amin’ny faritra hafa, Ohatra any amin’ny Betsimisaraka, izao ny filazan’ i LAHADY azy: “Mitohy ny lanonana, ny alina mandra-maraina, amin’ny alalan’ny hira sy ny dihy isan-karazany miaraka amin’ny fihinanan-toaka.”112

2.2.3.3. Ny fivoaran’ny fahan-jafy

Tahaka ny fomba amam-panao misy rehetra eto Madagasikara dia miatrika ny fandrosoana sy ny fanatontoloana ny fahan-jafy. Noho izany, misy fiovana miandalana hatrany eo amin’ny fomba fanatontosana azy. Ohatra: Ankehitriny, misy ny olona any an-toerana manao ity fomba ity, amin’ny endrika maro samihafa araka izao manaraka izao.

111 RAKOTOARISOA Edmond dit Edy Ambodivoara

112 LAHADY(P), op, cit, p.77 « Et la fête continue, la nuit, jusqu’à l’aube, par des chants et des danses de toutes sortes avec des services de consommation de toaka(46). »

86

Mamory ny zafikeliny rehetra ny raibe, dia mamono gisa, mitso-drano ireo taranany ireo ary mamahana azy. Tsy mampandre olona maro izy amin’izany fa ataony mangigina.

Misy koa ny sasantsasany, vorîny ao amin’ny tranon-drazana (lapa) ny zafikeliny rehetra dia tsofiny rano, ary misy fiaraha-misakafo hatrany fa ny laoka kosa dia izay takatry ny fari-pananan’ireo raibe ireo. Ohatra misy ny mividy hena eny an-tsena na mamono akoho. Mandritra ny fotoana fitsofan-drano koa dia misy ny raibe sasany mamela ny taranany hihinana ny fadin-drazany indrindra ireo zazavavy. Noho izy ireo manara-bady any an-tanin’olona, ka tsy voatery hilevina am-pasan- drazana fa mety hanaraka ny vadiny. Izany dia tena fiovana goavana satria ny Marofotsy teo aloha dia tsy manara-bady rehefa maty fa miverina amin’ny fasan’ny ray niteraka, hoy ny filazan’ireo zokiolona.

Tsapa ihany koa fa mivoatra ny fomba fijerin’ny olona vitsivitsy any an- toerana momba ity fomba fahan-jafy ity tamin’ny fanadihadiana izay nataonay: ohatra, misy ireo manana fiheverena fa ireo raibe izay nanao joro fahan-jafy dia tsy ela velona firy intsony taorian’ny fotoana nanatontosany izany. Tsy marina anefa izany satria 25taona taorian’ny fahan-jafy vao maty ny raibenay. Ao ihany koa ny milaza fa natao ho an’ny mpanan-karena ity fomba ity.

Tsara anefa ny manamarika ny voalazan’ireo olona nanao ity fomba ity fa na misy miova aza ny fomba fanatontosana azy dia milafika hatrany any am-para- hatoky ny olona ny foto-kevitra ijoroany sy tanjona kendreny. Ohatra, mamahana ny zafiny ireo raibe na tsy misy sakafo be aza, fa ny fitsofan-drano azy ireo mba ho soa sy ho tsara no zava-dehibe aminy.

2.2.4. Ny fampitahana ny fahan-jafy sy ny fafy zaza Antemoro

Marihina fa samy fomban-drazana malagasy momba ny taranaka moa izy roa ireto: ny fafy zaza sy ny fahan-jafy. Ny fafy zaza dia hita any amin’ny Antemoro, ny fahan-jafy kosa dia any amin’ny Marofotsy araka ny efa fantatra teo aloha. Hojerena mialoha àry ny mampitovy azy ireo. Azo lazaina fa mitovy izy ireo nefa tsy sahala. Misy ny toetra iombonana fa eo koa ny tsy itovizana. Ohatra tahaka ny fahan-jafy ihany koa dia fotoan-danonana ny fafy zaza. Samy misy araka izany ny fanarahana ny dingana telo atao amin’ny fotoana: ny fiomanana, ny fanatanteraha ary ny

87 famaranana. Fantatra ihany koa fa samy misy ny fanomezana tsodrano ny taranaka. Manampy izany dia misy ihany koa ny sorona sy ny famahanana sakafo manokana ny zaza. Samy misy fandaminam-piainan’ny fiaraha-monina izy ireo ary samy mifototra amin’ny finoana sy ny fivavahan-drazana.

Andaniny dia eo koa ny mampiavaka azy. Ohatra ny olona mpandray anjara. Amin’ny fahan-jafy ny zafikely ihany no mahazo ny tsodrano sy ny sakafo, koa ny raibe sy ny renibe no manome izany. Amin’ny fafy zaza indray dia ireo zanaka nateraka miisa 10 no anaovana ny fomba ary ny ray aman-dreny niteraka no tena tompona andraikitra izay vao ny ray aman-drenibe. Amin’ny fahan-jafy dia tsy mijery izay tontalin’ny isan’ny olona fa rehefa misy ny vola aman-karena enti- manantontosa azy dia mahazo manao ilay fomba. Izay amin’ny ankapobeny no hita manasongadina ny fahan-jafy amin’ny fafy zaza.

Fehin’ny fizarana faharoa

Raha atao bango tokana izay voalaza tamin’ity fizarana faharoa ity dia:

Tato no nanomezana ny fanazavana ny momba ny voambolana izay manodidina ity asa fikarohana ity. Naseho manaraka izany ny fizotry ny lanonana amin’ny joro fahan-jafy: nanomboka tamin’ny fanomanana sy fanatontosana ary ny famaranana azy.

Tao anatin’izany no niresahana momba ny fotoana, ny toerana sy ny fitaovana isan-karazany ary ny mpandray anjara izay azo lazaina fa misy sokajy roa: ny mpandray anjara fototra toy ny zafikely sy ny mpijoro ary ny ankoatra izay kosa dia mpandray anjara mpanampy. Nambara tao ihany koa ny asa aman’ andraikitra izay sahanin’ny tsirairay mandritra ny fanaovana ny jamà. Hita tao amin’ izany ny fiaraha-mientan’ny fokonolona ka tsapa fa manana ny anjara biriky manandrify azy avokoa ny isam-batan’olona. Nolazaina tato amin’ity fizarana ity ihany koa ny fivoaran’ny fomba fahan-jafy sy ny fihetsiky ny olona manoloana azy. Amin’ny famaranana azy ity dia somary natsidika kely ihany koa fa misy fomba tahaka azy ity any amin’ny foko Antemoro. Nentina tamin’izany ny fampitahana teo amin’ny roa tonta.

88

FIZARANA FAHATELO NY ANJARA ASAN’NY FAHAN-JAFY EO AMIN’NY FIARAHAMONINA, NY OLANA, NY SOSO-

KEVITRA.

89

Hita tao amin’ny fizarana voalohany ny fampahafantarana ny toerana nanaovana ny asa fikarohana. Tao amin’ ny fizarana faharoa kosa no nanolorana ny fizotran’ny fahan-jafy izay votoatin’ny asa. Hovahavahantsika eto amin’ny fizarana fahatelo indray kosa ny lanja sy ny hevitr’ ity fomban-drazana ity.

Firenena iray anisan’ny mino an’Andriamanitra Andriananahary, mpandahatra ny zavatra rehetra ny Malagasy. Mino ihany koa izy ny fisian’ireo karazana hery maro isan-karazany tsy hay tohaina ary tsy taza-maso toy: ny Razana, ny aloaloan’ny tany…Raikitra ao an-tsainy fa ireo hery maro ireo no mandrindra sy mandamina ny fiainan’ny olombelona. Noho izany dia ezahiny hatrany ny hampisy ny fifandraisana eo aminy sy ireo hery ireo ary ny samy mpiara-belona. Koa amin’ity fizarana fahatelo ity, no hanasongadinana ny fandinihana ireo antsipirian’ny fombafomba, ny filazana ny tena dikany. Hoy mantsy i VAN GENNEP hoe: “Tsy ny filazana ny fombafomba dinihina amin’ny antsipiriany akory no kendrena fa ny filazana ny tena hevitra fonosiny no zava-dehibe.”113Mizara telo araka izany ny zavatra horesahina ato amin’ity fizarana farany ity:

Voalohany dia misy hevi-dehibe maromaro hojerena momba ny anjara asan’ny fahan-jafy eo amin’ny fiarahamonina. Ao no ilazalazana ny momba ny finoana eo amin’ny fiainan’ny olona ao an-tanàna tarafina amin’ny joro ataony sy ny fitaovana ampiasainy amin’izany. Asongadina ao ihany koa ny fahaizan’ny mpiara- monina miray hina sy mifankatia.

Faharoa dia fantatra moa fa misedra olana maro ny fiainam-piarahamonina amin’ny ankapobeny amin’izao vaninandro izao. Avoitra eto koa araka izany ny vatomisakana ny olona ankehitriny tsy hanao ity fomban-drazana ity intsony amin’ny fomba manetriketrika.

Tapany fahatelo farany no itondrana izay anjara biriky ho enti-manatsara ny fiainam-piaraha-monina any an-toerana, indrindra mba hitazonana ny fomba Malagasy tsy ho very an-javony manoloana ny fanatontoloana.

113 VAN GENNEP, Les rites de passage- Etude systématique des rites, Librairie Emile, Nourry, Paris, 1909, p. 275 « Ce ne sont pas les rites dans leur détail qui nous intéressé, mais bien leur signification essentielle et leurs situations relatives dans des ensembles cérémoniels, leur séquence. »

90

3.1. Ny anjara asan’ny fahan-jafy

Hoy RAZAFINTSALAMA: “Ho an’ny Malagasy dia ny fisehoan-javatra na ny fihetsiky ny olona hita maso na tsapan’ny fandrenesana no ahatakarana ny maha- izy ny zavatra na ny olona”114. Ny fahan-jafy dia ahitana fihetsika atao sy tonombavaka asandratra, izay mifono finoana lalina. Ny fomban-drazana malagasy mantsy amin’ny ankapobeny dia mifototra amin’ny finoana ny fisian’ireo hery tsy hita sy ny fampirindrana ny rafi-piaraha-miainan’ny mponina. Zava-dehibe eo amin’ny fiainan’ny olona araka izany ny anjara asan’ity fahan-jafy ity. Noho izany, misy maro ireo tombontsoa azo avy aminy.

3.1.1. Ny famelombelomana ny finoana

Mila fanolokoloana tahaka ny aina, sy ny vatana ihany koa ny fiainam- panahy. Mazava fa manana ny anjara asany ny finoana amam-pivavahana eo amin’ny fiainan’ny mponina andavanandro. Manaporofo izany ny voalazan’i RIVIERE Claude hoe: “Azo ambara fa ny fivavahana dia: mitondra fanazavana momba ny zavatra tsy takatry ny saina, mandamina sy mandrindra ny olona ao amin’ny tontolo misy azy, mampitony ny olona eo amin’ny fiainany amin’ireo tahotra sy izay mety fijaliana rehetra amin’ny alalan’ny finoana sy ny fanantenana ny fahamarinana, mampiray sy mampiditra ny olona ao anatin’ny vondrona iray ka miara-mientana amin’ny fanaraha-maso ny fiainam-piarahamonina. Miankina amin’ny fifampifehezana sy ny fifanajana izany ary ny fanasazina ihany koa. Mampitambatra ny vondron’ny olona mpiray finoana.”115

Mazava àry fa ny fanatontosana fomba amam-panao dia mamelombelona indray ao anatin’ny olona ny finoany, ny fiainam-panahiny.

114RAZAFINTSALAMA (A), Tari-dalana enti-manadihady ny finoana sy ny fomba malagasy, op.cit, p.5 115 RIVIERE (C), op.cit, p.16-17 « On dira la religion : explicative, en ce qu’elle pallie un savoir empirique défaillant ; Organisatrice, par l’ordre qu’elle présuppose et vise à sauvegarder dans l’unvers Sécurisante, en ce qu’elle ramène à un niveau supportable la peur et les tensions psychiques par la foi et l’espérance d’une justice. Intégrative, en ce qu’elle agit comme mécanisme de contrôle social, liée qu’elle est à une morale du respect et de la sanction, mais aussi parce qu’elle crée une communion des croyants »

91

Eo amin’ny firafitry ny joro dia hita taratra avy hatrany ny hasina omen’ny fiarahamonina any an-toerana ireo tontolo misy manodidina azy. Miavaka roa mazava tsara izany : ankilany eo ny tontolo hita maso toy ny tendrombohitra, ny renirano, ny zavamaniry, andaniny ny tontolo tsy hita maso : Andriamanitra Andriananahary sy ny Razana ary ireo aloalon’ny tany. Rehefa voatanisa avokoa ireo rehetra ireo izay vao miroso amin’ny antony nanaovana ny joro. Mbola ireo hery ireo ihany koa no itodihany amin’izany. Mibaribary amin’izany fa olona manana finoana lalim-paka ny Marofotsy, miaiky izy fa malemy sy osa ary mila ny fitantanan’ireo hery avy amin’ireo tontolo manodidina azy.

Fantatra tamin’ny fanadihadihana natao moa fa samy inoan’ny olona ao Ambodivoara ho tompon’ny hery tsy hay tohaina avokoa na Andriamanitra na ny Zanahary na ny aloalon’ny tany ary ny Razana. Araka ny fiheveran’ny mponina any an-toerana dia misy ambaratonga ny filaharan’izy ireo. Ny ambony indrindra, dia Andriamanitra sy ny Zanahary satria ireo no nahary ny zavatra rehetra. Manaraka izany, ireo zavaboariny. Na izany aza, izy rehetra ireo dia samy hajain’ny olona sy tompoiny avokoa. Misongadina izany tao amin’ ny joro izay hita teo aloha. Ny fitodihana amin’ Andriamanitra sy ny Zanahary no lohalaharana izay vao natao ny fitodihana amin’ ireo Razana mpanjaka nonina tao amin’ireo tendrombohitra masina eto Madagasikara, ny hasina misy eo an-toerana anaovana ny joro, ary ny fitodihana amin’ireo Razana niaviana ary farany vao ny votoatin’ ny joro.

3.1.1.1. Ny finoana an’Andriamanitra sy ny Zanahary

Andriamanitra Tahaka ny ankamaroan’ny Malagasy rehetra ihany koa ny mponin’Ambodivoara. Mino sy miaiky fa Andriamanitra no mpahary ny zavatra rehetra na ny hita na tsy hita maso. Noho izany, amin’ny joro rehetra izay ataony dia Izy no voalohany antsoiny. Milafika ao amin’ny fisainany ihany koa fa tsy ary izy, tsy tonga teto an-tany raha tsy noho ny asan’Andriamanitra nahary azy. Izany fomba fiheverana izany dia saika hita manerana ny Nosy manaporofo izany ny filazan’ireo mpandinika maromaro manao hoe: “[…], manerana an’i Madagasikara, ny hoe Andriananahary dia mifandraika mandrakariva amin’ny fahariana: “izy no nahary

92 tongotra aman-tanana”, koa zary fomba fiteny mahazatra izany.”116 Araka izany asan’Andriamanitra lehibe loatra izany dia matahotra azy ny olona. Hany ka misy ny manaja sy mametraka ny hasina ananany. Manaporofo izany ny voalaza ao amin’ny tonom-bavaka ataony hoe: “koa raha misy antony hataonay zanak’olombelona, dia tsy afaka ny hanaotao foana izahay, fa tsy maintsy mahatsiaro anareo Andriamanitra sy nareo Zanahary.”

Miaiky ny tenany ho zava-poana tsy mahefa n’inona n’inona ny olona, ary manankina tanteraka ny momba azy amin’Andriamanitra. Ekeny fa ny zavatra misy rehetra iainany sy ivelomany, dia avy amin’Andriamanitra. Hita taratra amin’ity joro fahan-jafy ity, ny halalin’ny finoan’ny olona an’ireo hery tsy hita maso. Manamafy izany nambaran’i PIETRO hoe: « Ny fomba amam-panao no maneho amintsika voalohany indrindra fa ambony Zanahary sady miavaka amin’ny hafa rehetra amin’ny alalan’ireto toetra telo ireto: a) izy no nahary izao rehetra izao; b) izy dia mitoetra any ambony any; d) izy no tompon’ny aina sy ny fahafatesana. »117Raha jerena amin’ny ankapobeny, dia hita fa misy tahotra ny herin’Andriamanitra latsa- paka ao amin’ny olona any Ambodivoara. Manaporofo izany, hita any an-toerana amin’ny fomba fiainan’ny olona andavanandro fa rehefa hanorina zavatra na hanomboka asa na an-tsaha na an-tanàna izy ireo dia tsy maintsy misy joro hatrany ataony mialoha ho fangataham-pitahiana. Manaraka izany, dia eo ihany koa, ny fihetsika feno fanajana izay atao amin’ny joro : ohatra ny ronto intelo mialoha hoe: “o!o!o!”. Fady dia tsy azo ataotao foana izany andavanandro fa sao hoe “ heverin’Andriamanitra” fa miantso Azy. Koa araka izany dia marina amin’ny mponina any mihitsy ny filazan-dRAMAROSON manao hoe: “Ny fanirian’ny Malagasy izany dia hanana fifandraisana amin’Andriamanitra mba hananany aina. Na izany aza tsy sahiny ny miresaka mivantana aminy sy ny mihaona aminy ary ny

116 RAKOTOMALALA (M), BLANCHY (S), RAISON-JOURDE (F), Madagascar : Les ancêtres au quotidien, Editions l’ Harmattan, 2001, p.45 « […], partout à Madagascar, la notion de Dieu est toujours mise en relation avec l’idée de création : « il créa les pieds et les mains », a-t-on coutume de dire ici. 117 PIETRO(L), Dieu dans la tradition malgache, Editions Ambozontany et Karthala, 2006, p.155 “ Les traditions nous montrent tout d’abord que le Zanahary supérieur se distingue des autres par trois caractères: a) il est créateur du monde; b) il habite dans haut; c) il est maître de la vie et de la mort.”

93 miaraka aminy mandrakariva fa antsoina Izy rehefa mivavaka, dia alefa mody koa. Tsy tantiny fa mampatahotra azy ny miara-monina amin’Andriamanitra”118

Zanahary Hoy i PIETRO hoe: “Ny Malagasy dia manana an’Andriamanitra, ny Zanahary, hevitra marina na dia mifangaro aza.”119 Dia tahaka izany tokoa ny zava- misy matetika. Ireo voambolana roa ireo dia samy ampiasain’ny olona hatrany eo amin’ny fiteny andavanandro. Izany dia azo heverina fa avy amin’ny fototra niaviana. Ohatra amin’izany ny Merina sy ny Sakalava.

Manaporofo izany ny filazan- dry BLANCHY sy ny namany hoe: “Ireo Merina miantso azy hoe Andriamanitra, Andriananahary na Andriamanitra Andriananahary na ihany koa hoe Zanahary”, ary izao kosa ny nambaran’I JAOVELO-DZAO hoe: “Ireo Sakalava mampiasa indrindra ny hoe Zanahary”120. Tahaka ny voalazan-dRAZAFINTSALAMA ihany koa ny fomba fisainan’ny Marofotsy amin’ireo karazan-javatra na olona tondroina ho Andriamanitra na Zanahary.121 Ohatra lazainy fa Zanahary ny masoandro, ny fanahin’ny mpanjaka mitoetra ao amin’ny olona, ny fanahin’ny Razany mitoetra ao amin’ny olona ary ny ray aman-dreny. Manaporofo izany ny nambaran’i ESTRADE hoe: “marina ny fomba filazana fa ny Malagasy […] manaiky koa izy fa Zanahary no ilazany ireo razana, ireo fanahin’ny rehetra eo amin’ny fiainana, ireo ray aman-dreny, ny vary…”122 Ary tsy ny Malagasy irery ihany akory no manana fiheverana fa Zanahary ny masoandro, fa misy firenen-kafa koa. Ohatra ny Meksikanina tamin’ny taonjato faha XIV ka hatramin’ny XVI, talohan’ny nidiran’ny fivavahana kristianina, “ nivavaka tamin’ny masoandro ny “ Aztecas” ary nanao sorona olona atolotra an’io

118 RAMAROSON(B), op. Cit, p.55 119 Pietro(L), Dieu dans la tradition malgache, Editions Ambozontany et Karthala, 2006, p.152 « Les Malgaches ont de Dieu, de Zanahary, une idée juste bien que confuse » 120 JAOVELO-DZAO (R), op, cit, p.215 « Les Sakalava emploient surtout Zanahary » 121 RAZAFINTSALAMA (A), op, cit, p. 64 122 ESTRADE (J-M), op, cit, p.75 « Il est vrai que les malgaches, […] accordent aussi le titre de Zanahary aux ancêstres, aux esprits de la vie, aux parents, au riz… »

94 masoandro io: “dieu Soleil: dios Sol” fa raha tsy misy izany fandatsahan-dran’olona izany araka ny finoany dia mijanona tsy mety miposaka io masoandro io.”123

Sahala izany koa amin’ireo sisa hafa, maro ny firenena miaiky fa ny ray aman-dreny dia mpahary. Izy ireo no miantoka ny famelomana ny zanany. Ireo fanahy izay mitoetra ao amin’ny olona kosa dia tahaka izany koa ny asany eo amin’ny mponina: mahita ny zavatra ho avy manjo ny zanak’olombelona, afaka mitsabo...

Ny olona manana izany no lazaina hoe: « mpihanjaka, olona itsanganan- janahary na itsanganan-draha na itoeran-draha » ao Ambodivoara. Miisa amam- polony maro izy ireo, ary saika razana mpanjaka avy any avaratra, tarik’ ANDRIAMISARA efadahy no ankabeazany. Olona roa ihany no mianjaka Radama voalohany sy Andrianampoinimerina any an-toerana

3.1.1.2. Ny finoana ny Razana

Samy inoan’ny Marofotsy ho tompon’ny hery avokoa na Andriamanitra na ireo hery hafa araka ilay ambaran-dRAHAJARIZAFY hoe: “aloalon’ny tany sy ny lanitra”.124 Mandeha ambaratonga anefa ny toerana ametrahany azy. Ny mahazo ny toerana ambony indrindra amin’ireo hery rehetra tompoiny dia Andriamanitra, manaraka izany ny razana mpanjaka, ny vazimba, izay heveriny fa eo akaikin’Andriamanitra ary eo ambanin’izany kosa ny razany nipoirany. Tahaka izany ihany koa ny lazain-dry BLANCHY sy ny ekipany hoe: “[…] izay miantomboka amin’ny filaharana “mahazatra”, amin’Andriamanitra mpahary, avy eo ireo razana mpanjaka.”125

Mino ny olona fa izay hery sy hasina ao amin’ireo hery tsy hita ireo no hitondra soa sy fitsimbinana ho azy sy ny taranany izay hanaovany lanonana koa tsy maintsy tsaroany sy antsoiny ireo hanatrika ny joro izay ataony. Amin’ny fomban-

123 http://www.historiacultural.com/2010/09/civilizacion-cultura-azteca-mexica.html « Los aztecas eran politeistas’adoraban a varios dioses y creian que si la sangre humana no era ofrecida al dios Sol, este dejara de funcionar y se apagaria sumiendo en oscuridad al mundo.” Dikanteny nataon’ny mpikaroka

124 RAHAJARIZAFY, op. Cit, p.116 125BLANCHY (S), RAKOTOMALALA, RAISON-JOURDE (F), op. Cit, p.17 “[…] en commençant, dans un ordre “classique”, par Dieu créateur, puis les ancêtres royaux.”

95 drazana rehetra izay atao any an-toerana dia tsy maintsy hiantsoana ny Razana. Noho izany, toa velona mandrakariva eo anivon’ny fianakaviana ny razany izay efa nialoha lalana azy, ary maro ny olona ao an-tanàna ipetrahan’ny fanahin’ny razany. Amin’izany dia inoany ary ianteherany ny fitantanan’ny razany ny fiainany. Tsapa fa tsy misalasala ny olona ny mitaraina ny manjo azy amin’ny razany, ny mizara aminy ny faniriany, ary mitalaho fanambinana avy aminy. Ary izao filazan- dRAMAROSON dia manamafy izany. Hoy izy hoe: “Noho izany, manana anjara toerana lehibe ho an’ny Malagasy ny Razana. Akaiky an’Andriamanitra izy ireo satria miombona aina aminy, ka izy ireo no mpanelanelana ifandraisana amin’Andriamanitra. Izy ireo rahateo ihany koa no nampita ny aina. Io aina io no zava-dehibe eo amin’ny vavaky ny Malagasy: fiarovana sy fandavorariana ny aina ny vavaka.”126 Koa tsy mitsahatra mifandray amin’ny razany ny Marofotsy.

Tsikaritra ihany koa tany an-toerana fa isan-tokantrano maromaro izay nidiranay dia misy saronan-karona kely eny an-joro firarazana, ao anatin’izany dia misy ody fiarovan’izy ireo ny tenany sy ny taranany ary ny ombiny. Mihaja izany toerana izany satria nataony hihaonana amin’ireo razana ireo: izay antsoiny hoe “an- joro farazana”. Ankoatra izany, dia fanaon’ny mponina any ihany koa ny mitanisa anaran’ireo razany rehefa mivavaka sy ny anaran’ireo toerana malaza. Manaporofo izany ny joro izay hita tao amin’ny fizarana faharoa. Manambara fitiavana sy fifankahazoana akaiky izany. Fahita koa anefa ny tahaka izany, teo amin’ny Ntaolo. Manaporofo izany ny ambaran’i COUSINS: ny fivavahan’ny mpanota Ombimanga rehefa hitoraka sy ny fivavahan’ny mpihady volamena, voatanisa ao ny hoe: “Rafotsiberavola, Rakotofotsy…” ny anarana toerana: “Ny any Anorombato, ny any Andolomasina.”127

Raha fintinina izany dia azo aravona amin’ny ilay tenin’i BENOLO manao hoe: « Amin’izay rehetra ataony, amin’ny zavatra rehetra mitranga eo amin’ny fiainany, dia hidodododoany amin’ireo “manam-pahefana” ireo avokoa.”128ny fomba

126 RAMAROSON (B), op. cit, p.55 127 DAHLE, Anganon’ny Ntaolo, Trano printy Loterana Malagasy, 1971, p.204-206 128 Ao amin’ny boky navoakan’i GUEUNIER (N) sy i SOLO-RAHARINJANAHARY, op. Cit, p.267 « En tout cas, par tels sorone, le Malgache reconnaît qu’il n’est pas maître de sa vie, mais qu’il la doit à Dieu et aux ancêtres. A tout ce qu’il fait, à tout ce qui lui arrive, il recourt à ces « autorités ».

96 fiainan’ny Marofotsy. Manana ny heriny sy ny hasiny ireo rehetra ireo ka tsy maintsy kiahina mba hitondra soa sy fanambinana amin’ireo zafikely ireo.

Na eo aza izany finoana ny herin’ny razana sy ny hasina ananany dia efa nisy tany an-toerana ny vaky fasana nanodidina ny taona 2010. Ireo firavaka volamena tao am-pasana no nalainy tamin’izany. Koa niparitaka ny taolan-drazana rehetra tao am-pasana. Nanoloana izany, nisy maro ireo fianakaviana niharan’izany no nanambara fa aleon’izy ireo niatrika ny fotoana nahafaty ny havany toy izay ny tranga tamin’ny vaky fasana. Nisy araka izany ny fomba nataon’ireo tompom-pasana ho fampodian-kasina ny razany. Maneho izany, ny maha ambony ny finoany sy ny fitiavany ny razany. Nanomboka teo dia toa niova ny fiheveran’ny olona lasa nisy ny fiambenana ny fasan-drazana ary tsy nampitondra firavaka amin’ny maty intsony ny mponina.

Ireo olona nahiana nahavanona ny loza kosa dia toa ratsy fiafarana avokoa hoy ny filazan’ireo mponina tany an-toerana.

Raha izay ny momba ny finoana ny Razana dia fantatra ihany koa fa mino ny hery hafa tsy hita maso maro isan-karazany ny Marofotsy. Antsoiny izany amin’ny joro izay ataony fa kosa tsy asongadiny ny laharana misy azy tahaka ny amin’Andriamanitra sy ny Razana. Tsapa anefa fa tsy hadinoiny ny manatsidika kely izany amin’ny joro izay ataony. Ataony bango tokana hoe: “ianareo zava-masina rehetra”.

3.1.1.3. Ny finoana ny fisian’ireo zava-masina rehetra

Tsara raha atsidikay kely eto amin’ny asa fandalinana ny mombamomba an’ireo zava-masina izay ambara etoana satria voalaza ao amin’ny tonombavaky ny mpijoro. Tsy nantsoina tamin’ny anarany mivantana tamin’ny fahan-jafy akory izy ireo fa zava-misy inoan’ny olona any an-toerana eo amin’ny fiainana andavanandro koa heverinay fa tsara ny mirakitra azy an-tsoratra etoana.

Koa rehefa natao ny fanadihadiana dia fantatra fa inoan’ny olona any an- toerana ireto hery miafina manaraka ireto:

97

Ny dadibe Fanahy miditra ao amin’ny olona tahaka ny tromba ihany koa ny dadibe. Tsy mitovy amin’ny fombafomba fanao amin’ny tromba kosa ny fanao aminy. Olona avy any Ambatondrazaka no nampiditra azy ity voalohany tao Ambodivoara.

Tonga nitsabo olona tao an-tanàna ilay sihanaka io, no nanararaotra ihany koa nivarotra ilay odiny, izay nantsoiny hoe: « dadibe ». Maro araka izany, ny olona nividy izany. Ny sarany dia 50. 000ariary. Fiarovam-batana no nahasarika ny maro nividy izany araka ny fanadihadiana natao. Noho izany, tsy hery miafina tongatonga ho azy ny « dadibe » fa zavatra niriana hananana.

Marihina anefa fa, fahita koa ity dadibe ity aty amin’ny faritra merina. Manaporofo izany ohatra izao voalaza manaraka izao: « Ny hariva, izy (André) miantso ireo ray aman-dreniny nanjanaka azy sy ny dadibe, manatrika eo na tsia ny fianakaviana liana aminy. Izy no milaza ny olana amin’ireo fanahy ireo, ireo avy eo no manambara ny zavatra tokony ataony amin’ireo manana olana. »129

Ny kalanoro Izy ity indray dia inoan’ny olona ao an-tanàna ny fisiany. Fantatra fa any anaty alabe, sy any an-dava-bato hono no fonenany. Tsy misy olona mitsabo amin’ny alalany akory any an-toerana kanefa rehefa miasa volamena ny olona dia miantso sy mangata-pitahiana aminy mba hahita, volamena entina hody.

Ny boribe Ity karazana fanahy ity dia anisan’ireo lazaina fa fanahy ratsy. Mampivarahontsana ny olona any izy ity. Toa olona mainty vaventy avo izany hoe ny fisehoany. Mandrebireby ny sain’olona ny ataony. Mampiresaka ary mitarika any anaty lavaka na renirano izy. Matanjaka izy io ary mamely totohondry avy hatrany. Amin’ny alina hatrany ny fisehony ary ny olona mamo toaka na avy nisotrosotro toaka no tena asiany. Vitsy no afaka ka velona soa aman-tsara rehefa tratrany. Isan- taona dia misy tranga tahaka izany foana any an-toerana, araka ny filazan’ireo olona maromaro tao Ambodivoara. Mino ny fisian’ity boribe ity koa ny Tsimihety araka ny filazan’i TONGASOLO azy ao amin’ny boky « Ny fomban-drazana Tsimihety » ary

129 BLANCHY (S), RAKOTOMALALA (M), RAISON (F), opt, cit, p.299 « Le soir, il invoque ses parents adoptifs et les dadibe, en présence de ou sans famille intéréssée. Il expose le problème aux esprits, ceux-ci donnent alors leurs prescriptions. »

98 mitovitovy ny zava-misy ao Ambodivoara ny filazany.130 Manoloana izany, mailo ny olona rehefa mandeha irery amin’ny alina. Tsy maintsy mitondra fiarovan-tena ao misy ny mivakana fanafody gasy, ny Kristiana katôlika miambozona, meday Masina Maria, na Md Misely. Ary misy ny olona sasany manambatra azy roa ireo.

Izay ny filazana fohifohy ny momba ireo zava-masina rehetra voalaza ao amin’ny tonombavaka. Koa hojerena manaraka izao kosa indray àry ny sandan’ny habaka sy ny fotoana ary ny fitaovana masina.

3.1.1.4. Ny finoana fonosin’ny toerana, ny fotoana, ny fitaovana

Ny toerana Voalaza teo amin’ny fizarana faharoa ny filazalazana ny toerana. Koa ny ezahina aseho eto kosa dia ny hevitra fonosiny izay ifandraisany amin’ny fahan-jafy. Mazava fa ny fahan-jafy dia fikatsahana ny soa sy ny tsara ho an’ny taranaka. Zava- dehibe ao amin’izany ny fitalahoana ny tsodrano avy amin’Andriamanitra sy ny Razana. Noho izany tsy azo atao kitoatoa momba ny toerana fa mandeha amin’ny lôjika avokoa. Fantatra fa ny zoro firarazana dia iombonan’ny Malagasy rehetra amin’ny ankapobeny fa voatokana natao toera-masina fivavahana. Manazava ny momba izany i VIG manao hoe: “Ny zoron-trano Avaratra-Atsinanana. Eo, ny toerana itahirizana ny andriamanitry ny tokantrano. Misy fivavahan’ny mpianakavy tsy maintsy atao va? Eo no arantirantiny ny iray na ny maromaro amin’ireny ody ireny. […], amin’izay dia miankohoka mitodika any amin’ny zoro-trano Avaratra- Atsinanana ny mpianakavy ary manatsotra tanana mivavaka.”131 Mino ny Malagasy fa eo amin’io zoro avaratra atsinanana io no fihaonany amin’ireo razana. Manamafy izany koa i môpera RAZAFINTSALAMA hoe: “Natao ho manan-kasina indrindra ny Avaratra Atsinanana, dia noho izy Alahamadin-tany; ka eo no hanajana an’Andriamanitra sy ny Razana: izay no maha Zorofirarazana azy.” 132 Ankoatra izany, avy any amin’io ihany koa no toerana iavian’ny hazavana, sy ny fahatsarana.

130 TONGASOLO (P), opt, cit, p.174-175 131 VIG (L), op, cit, p.66, 68 132 RAZAFINTSALAMA (A), op, cit, p. 53

99

Avy ny ihany koa ny fiandohan’ny aina. Ny masoandro dia zanaharibe, ipoiran’ny soa rehetra araka ny finoan’ny Marofotsy. Miavaka araka izany, io toerana io. Mazava araka izany fa ny vavaka atao mandritra ny fahan-jafy dia maka ny zoro firarazana. Tsy hita any amin’ny Marofotsy ny manao fomban-drazana amin’ny fotoam- pifaliana ka tsy tanterahina eo amin’io toerana io. Tsara marihina kosa anefa any an-toerana, fa ireo Antesaka monina any, izy ireo rehefa mijoro dia maka ny zoro atsimo atsinanana satria hoe avy any ny razany. Ny Marofotsy kosa rehefa amin’ny fotoana manjombona toy ny fahafatesana dia manaraka ny zotra ilentehan’ny masoandro ny fombafomba rehetra ataony. Midika faharatsiana izany ka tsy ilainy. Ankoatra ny zoro avaratra atsinanana, eo ihany koa ny toerana misy ny mpimasy. Manana ny sandany ihany koa izany. Mifanaraka amin’ny tononandro nanaovana ny joro. Eto amin’ity joro fahan-jafy ity, ohatra ny mpijoro dia nitanila teo atsimon’ny omby. Manaraka ny orim-bintana Asombola. Manana ny fiheverany momba izany ny Malagasy. Manaporofo izany ny fomba filazan’i COUSINS azy hoe: “Asombola: Zana-bintana baben’ny Adimizana izany; eo anelanelan’ny andry atsimo sy ny zorom-baravarambe no anjarany. […] noho izany no iheverana ny tononandro Asombola ho sady fandaniana ny azo no fampidiran-karena.”133Eto amin’ity fahan- jafy ity kosa ny dikany dia hoe: ny vata ho feno vola, ny ampiasaina eo an-tanana tsy ho foana ary ny trano ihany koa ho feno zaza. Koa samy mahazo izany fahasoavana izany avokoa na ny mpijoro na ny mpimasy ary indrindra fa ilay fianakaviana nanao ny joro fahan-jafy. Tsy mifanalavitra amin’izany ihany koa ny nambaran’i JAOVELO-DZAO hoe: “Asombola “As-sumbula”; mariky ny fahabetsahan’ny fahasoavana azo, amim-pahamasinana134 Hojerena manaraka kosa indray izao ny momba ny fotoana. Ny fotoana Zava-dehibe ny fotoana ho an’ny Malagasy indrindra amin’ny fanatontosana fomba amam-panao. Misy heviny avokoa ny fotoana arahina amin’izany ary mifaningotra amin’ilay zavatra ataony. Ohatra eto amin’ny asa fikarohana dia ny

133 COUSINS, Fomba malagasy, Trano Printy Imarivolanitra, 1963, p.175 - 176 134 JAOVELO-DZAO (R), op, cit, p.368 « « As-sumbula » ; signe de l’abondance, en divination, »

100 fahan-jafy. Noho izany, ny fotoana eto dia sarobidy. Voafetra ka tsy maintsy arahina antsakany sy andavany. Tsy miankina amin’izay danin’ny kibon’ny tompon- draharaha na ny mpanotrona izany fa araka izay baikon’ny mpanandro. Fantatra fa ny fotoanan’ny jamà any amin’ny Marofotsy dia ny miaka-bolana na volana fenomanana no fanaovany azy. Matetika izany, dia manomboka ny zoma hariva. Ny asabotsy maraina miakatr’andro (amin’ny 9ora) kosa ny fanatontosana ny joro. Izany rehetra izany, dia tandindon’ny fikatsahana ny tsara. Ny hoe: miakatra dia hetsika atao avy any ambany mizotra mankany amin’ny toerana ambony. Midika fa misy hery na aina ao amin’ilay zavatra miakatra. Izay hevitra izay no tratrarina amin’ny joro fahan-jafy, ny mba hananan ‘ireo zafikeliny hery sy tanjaka sy andro lava iainana hiriariavana eo amin’ny tany ama-monina. Ankoatra izany, dia misy ihany koa ny mba hitomboan’ny vola aman-karen’ireo ray aman-drenibe sy ny taranany hoenti-miatrika ny fiainana. Ny volana fenomanana kosa dia manambara fahafenoana. Mazàna dia ny asabotsy sy ny alatsinainy no anaovan’ny olona joro any an- toerana. Mino ny olona any fa ireo no andro tsara. Sady manambara hafenoana izy ireo no mitondra fanantenana ihany koa. I JAOVELO-DZAO 135 dia manazava bebe kokoa ny momba ny hevitra fonosin’ny andro. Ambarany fa miankina amin’ny faritra sy ny foko mino azy sy ny tonom-bolana misy azy ihany ny andro tsara. Sahala izany ny trangan-javatra hita any an-toerana. Ohatra ny tariky ny Maromainty, dia fady mafy azy ny andro alatsinainy, ny an’ny Marovanga kosa dia ny asabotsy. Voalaza teo aloha ny hevitra fonosin’ ny toerana sy ny fotoana. Aseho indray àry izao ny momba ny fitaovana izay nampiasaina tamin’ny joro fahan-jafy. Ny fitaovana Misy hatrany ny fitaovana kirakiraina mivantana amin’ny fanatontosana fombam-pivavahana. Ohatra eo amin’ny fivavahana kristianina amin’ny sorona masina na fanasan’ny Tompo dia ahitana mofo sy divay, rano… Ireny rehetra ireny anefa dia tandindona avokoa. Tahaka izany koa amin’ny fivavahan-drazana, misy maro ireo fitaovana ampiasaina, efa notanisaina tao amin’ny fizarana faharoa. Ny tandidona ambaran’izy ireny no ezahina aseho etoana: ny finoana ny hery fonosiny ka mitondra soa ho an’ireo izay mankato azy. Manamafy izany ny filazan’ i

135 JAOVELO-DZAO(R), op, cit, p.268

101

MERCIA manao hoe: “Ny finoana sy ny fomba aman-panao rehetra, dia mazava fa mitarika antsika hatrany amin’ny toe-tsaina “magique.”136 Misy fampitan-kevitra avokoa araka izany ireo singan-javatra rehetra tamin’ny fahan-jafy ary tamin’ny alalan’izy ireny no anisany ahitana taratra ny haben’ny finoana ananan’ny olona. Ny omby Maro ny antony nampiasana ny omby nandritra ny lanonana: tao ireo savaly izay niantoka ny asa fikarakarana rehetra, fa indrindra ny omby izay novonoina tamin’ny joro. Zava-dehibe ny anjara asan’ny omby eo amin’ny fiainan’ny olona, indrindra ny tantsaha. Manamafy izany i LERY hoe: “Ny lanjan’ny omby dia hita taratra eo amin’ny asa rehetra amin’ny fiainana andavanandro sy amin’ny fankalazana ireo fomba aman-panao rehetra...”137Manana toerana manokana eo amin’ny fiainan’ny Malagasy ny omby. Manaporofo izany ny mpandinika fiarahamonina malagasy sasany. Ohatra misy sahy milaza mihitsy fa: « Ny omby dia loharanon-karena ho an’ny vahoaka malagasy sy mahatonga ny olona ho tsara toerana eo amin’ny fiarahamonina »138. Tahaka izany koa ny fiheveren’ny Marofotsy momba ny omby. Fototry ny harena ny omby ho azy. Izany dia efa fantatra hatramin’ny tantara taloha ary mbola hita taratra mandraka ankehitriny. Izao ny fomba fijerin’ny mpitsabo iray, mpiasam-panjakana ao amin’ny CSBII ao Keliloha ny fiheveran’ny olona ny omby: « Ny tena imasoan’ny olona èty dia ny fitadiavan- karena, alefany manambady mbola kely ny zanany vavy mba hahazoany omby. Manomboka takariva ny ady varotra amin’ny famoahana an’ilay zazavavy amin’izany ary mila ho manaraina andro mihitsy. Tsy manaiky ny mpamoaka raha tsy omby 2 na 3 mianaka ny moletry azony. Koa raha rava ilay tokantrano, ilay omby efa lasa any tsy miverina intsony. Koa raha hampody an’ ilay vehivavy indray ilay lehilahy vadiny dia mbola manome omby hafa indray. Sarotiny ny olona aty amin’io ary raha vao tsy lasa io moletry io dia alainy ny zanany, alefany manambady olon-

136 MERCIA ELIADE, Images et Symboles, Essais sur le symbole magico-religieux, Editions Gallimard, 1952, p.148 « Toutes ces croyances et tous ces rites, certes, nous conduisent dans le domaine de la mentalité magique. » 137 LERY (F), Madagascar Les sortilèges de l’Ile Rouge, Editions l’Harmattan, 2002, p. 107 « La valeur mystique du bœuf se manifeste dans tous les actes de la vie quotidienne et dans les cérémonies rituelles… » 138 http://www.naturevolution.org/le-zebu/ “Le zébu constitue pour le peuple malgache la principale richesse et représente un excellent placement”

102 kafa mahaloa izany. ». Izany dia manambara fa zava-dehibe amin’ny Marofotsy ny omby. Ny fiainany manontolo dia tsy afa-mivoatra raha tsy miara-miasa amin’ny omby. Ohatra ilaina izy eo amin’ny famokarana ny tany, eo amin’ ny fifamoivoizana (sarety), izy ihany koa no hamidy ka miteraka loharanom-bola, sady anatontosana fomba amam-panao isan-karazany. Noho izany, mampahidy ny mponina any an-toerana ny hamono omby na dia manana maro aza izy ireo raha tsy hoe misy antony tsy azo ihodivirana. Ambony ny toerana ametrahan’ny Marofotsy ny omby. Saika ny Malagasy rehetra moa no manana izany fiheverana izany hoe: « Ny omby dia biby masina izay mitana anjara asa lehibe amin’ ny fomba amam-panao rehetra. »139 Izao ny volazan’i DECARY momba ny omby hoe: “amin’ny fomba amam- panao malagasy, maivan-danja ny fiheverena ny omby raha resaka sakafo fotsiny fa ambony kokoa noho izany amin’ny resaka finoana amam-pivavahana.”140. Amin’ny ankapobeny, tsy maintsy misy ny famonoana omby rehefa amin’ny fomba amam- panao lehibe. Ohatra: ny fahan-jafy, ny valo anaka, ny famadihana, ny tsakafara…Antony dia satria iray aina amin’ny olona ny omby koa toa manolotra ny tenany izy izany raha mahafoy omby hatao sorona. Manamarina izany ny lazain’ i VIG Lars:141 « Tandindon’ny hery na aina ary fitahiana ny omby”. Ny volon’ omby atao sorona koa matetika dia misy ifandraisany amin’ny joro izay atao. Mitoetra hatrany ny tandindona. Ohatra hoe: ny omby fangoro mainty mitaham-para na fekira, ireo volon’omby ireo dia manambara faharetan-javatra, ary fahatafitan-javatra hatramin’ny farany eo amin’ny fiainana, mariky ny fahafenoana ihany koa. Izany fenitra izany dia tsy maintsy narahina tamin’ny fahan-jafy taloha araka ny fanadihadiana nataonay. Ankehitriny, noho ny fahavitsian’ny omby dia sarotra vao mahita izany volon’omby izany. Koa ny ataon’ny mpimasy dia ny manarina izany. Tamin’ny fahan-jafy izay natrehanay ohatra dia omby mena no natao sorona. Nisy

139http://www.contreeslointaines.fr “le zébu est aussi un animal sacré, qui joue un grand rôle dans toutes les cérémonies” 140 DECARY (R), Mœurs et coutumes des Malgaches, Editions Payot. Paris, 1951, p.120 « [..], dans la coutume malgache, le omby a un rôle moins alimentaire que religieux ;.. » 141 VIG (L), Le symbolisme dans le culte malgache et dans la vie sociale populaire, Traduit par E. Fagereng, Otto.Ch ,1985 ; p.146 « Le bœuf est un symbole de vigeur de bénédiction »

103 kosa anefa ny baikon’ny mpimasy dia ny fitazonan’ireo zafikely ny rambon’ilay omby mena. Izay fihetsika izay dia misy hevitra fonosiny hoe: “efa azonay ianao koa tsy afaka handaka na hanoto anay intsony”. Ny omby dia tandindon’ny aina afoy. Ny ran’omby nalatsaka amin’ny joro fahan-jafy dia vidin’ aina, solon’aina. Koa izay ny antony namelana ny rany hiraraka amin’ny tany. Manamafy izany i DUBOIS hoe: “Ny ra dia aina.”142 Fankatoavana ireo Zanahary sy ny Razana izany no atao ho fangataham-pitahiana ihany koa. Izay ny momba ny omby manao ahoana indray ny resaka toaka? Ny toaka Tsara ny mampatsiahy izay efa voalaza tany aloha ny momba azy ity. Zava- pisotro, mahery ny toaka. Mampiaky ny mpisotro azy ny tanjany satria izay mirobaroba aminy dia tsy maintsy mamony. Fantatra anefa, any an-toerana fa amin’izay rehetra atao dia tsy misy vidiny raha tsy misy azy. Ohatra eo amin’ny fiainana andavandro, eo ny resaka serasera, rehefa misy vahiny miditra ny trano, tonga mamangy dia tolorana toaka gasy ho mari-panajana azy, andaniny izany koa, rehefa nindrana olona nanampy niasa, na voky hanim-pito loha aza ilay olona dia tsy maintsy tolorana toaka mba ho mari-pisaorana. Anisan’ny zava-pisotro be adidy ny toaka gasy eo amin’ny Marofotsy. Mazava moa fa amin’ny fanatontosana fomba amam-panaon-drazana dia tsy maintsy atao anaty lohaharana ny toaka gasy. Izany dia hita taratra hatrany amin’ny ankapobeny na an-kasoavana na an-karatsiana. Ohatra, zava-misy any an-toerana: tsy azo hadina ny tany handevenana raha tsy rarahana kely azy. Eto amin’ny fahan-jafy sy amin’ny jamà rehetra izay atao dia fantatra fa eo mandrakariva ny toaka gasy. Manomboka amin’ny fotoana famoriana fianakaviana izany ka hatramin’ny famaranana. Mitana anjara asa maro izy araka izany, eo amin’ny lanonana izay atao. Ohatra, izy no mandrisika ny olona hihetsika, hanafana ny lanonana, hanampy ny hery ao amin’ny olona mba hahavita hiasa. Manaporofo ity hevitra farany ity ny voalazan-dRATOLOJANAHARY zokiolona ao an-tanàna hoe: “koa matoa vita ny tsangam-bato maro hitan’ny masonareo ireo ety amin’ny manodidina antsika dia satria teo ny toaka”. Ny toaka mantsy dia anisan’ny zava-pisotro azo lazaina fa

142 DUBOIS (R), Olombelona Essai sur l’existence personnelle et collective à Madagascar, Editions l’ Harmattan, 1978, p.38 « Le sang est la vie… »

104 mampiombona ny mpiara-belona sy mamelona indray firaisan-kina raha mahay misotro azy. Izany hoe voalanjalanjan’ny mpisotro azy ny fatra mifanentana amin’ny vatany. Tsinjon’ireo razana Marofotsy izany ka hoy ny fitenenana any an-toerana manao hoe: « ny toaka hohanina fa ny fanahy tsy avalana ». Midika izany, fa tsara ny misotro toaka raha entina amim-pamendrehana, ao ambadika izany kosa dia hoe manala baraka ny mpisotro azy ny toaka raha tafahoatra loatra. Noho izany, mila ny fahaiza-mifehy tenda ny fisotroana toaka. Ankoatra ireo, zava-masina izy satria manana hery miafina. Ohatra eo amin’ny toerana rehetra izay hisotroana toaka dia tsy maintsy mahatsiaro ny razany ny Malagasy. Tsy maintsy manome ny anjaran’ny razana izy aloha vao sahy misotro toaka. Amin’izay fotoana izay dia misy teny ataony manao hoe:” « iny ny anjaranareo e!” sady atsipy kely ilay toaka any amin’izay ipoiran’ny masoandro, misy koa ny mandraraka azy eo amin’ny toerana izay hisotroany azy. Azo lazaina àry fa anisan’ny sakafo mampiombona ny velona sy ny maty ny toaka. Miavaka amin’ny zava-pisotro rehetra ny toaka any an- toerana eny fa hatramin’ny voambolana izay ampiasain’ny olona momba azy aza. Mitovy amin’ny fomba filaza amin’ny sakafo dia ny matoanteny hoe: mihinana”no fiteny amin’ny toaka fa tsy hoe: “misotro”. Manana anarana maro entina iantsoana azy koa ny mponina any. Ohatra ao ny manao hoe: « rano mafana, mafy daka, mafy dôzy, afo rano… ». Samy mametaka anarana mifanentana amin’ny andram-piainana efa hitany vokatry ny toaka ny olona. Misy maro ny olona mankafy toaka any ary tsy anavahana sokajy na fananahana izany. Mihinana azy avokoa na lehilahy na vehivavy na ny mpanarivo na ny masikiny (mahantra). Ireo olona sasany efa nahazo toromarika fampitandremana tamin’ny mpitsabo aza mbola miady varotra ihany manao hoe: « aoka Radoko a! Fa ny maty voky dia be lanja e ».143 Izay ny momba ny toaka, hovahavahana manaraka indray izao ny tsihy. Izy ity moa dia nampiasaina ihany koa tamin’ny fahan-jafy. Manao ahoana àry ny hevitra fonosiny? Ny tsihy Ny tsihy dia asan-tanana vita tamin’ny zavamaniry. Ohatra: toy ny herana, ny hisatra (zozoro), ary ny satrana. Ampiasaina ao an-tokantrano ny tsihy. Ao andaniny, velarina natao ipetrahana, ankilany natao ihany koa fatoriana. Samy hita tamin’ny

143 Ingahy TSIMIADIBE

105 fahan-jafy avokoa izany rehetra izany. Ankoatra ireo anefa dia ilaina koa izy amin’ny fomba amam-panaon-drazana any Ambodivoara na eo amin’ny faty izany na amin’ny jamà. Ohatra raha faty lena dia ampiasaina ny tsihy itsoran’ny maty ary ibatana izany rehefa alevina. Amin’ny famadihana dia fonosina tsihy ny razana, rehefa avoaka avy ao anaty fasana. Midika izany fa ny tsihy dia anisan’ny fitaovan-tserasera mampifandray ny tontolon’ny velona sy ny maty. Mazava araka izany fa ilaina amin’ny fahan-jafy ny tsihy satria ny Razana anisany asaina manatrika izany, sady ampiasaina koa izy ametrahana ireo fitaovana masina. Mariky ny fanajana sy ny fahadiovana izany. Tsara marihina moa fa rombahin’ny olona ny tsihy rehefa vita ny joro fahan-jafy. Ireo vehivavy maniry mafy ny hiteraka no tena maka izany. Iny tsihy nalainy iny avy eo no apetrany ao ambany kobana fatoriany. Milafika ao an-tsainy ny finoana fa hahazo zaza izy, mba hiteraka soa aman-tsara. Hita any an-toerana ihany koa anisan’ny entana hoentin’ny vehivavy manambady ny tsihy. Zava-dehibe ny tsihy ho an’ny Marofotsy ary manana ny anjara toerany eo amin’ny fiainana andavanandro sy amin’ny fanaovana fomban-drazana. Ankehitriny, efa maro ny trano vita simenitra sy “carreaux” fa na izany aza mbola velarin’ny olona tsihy ihany eo ambonin’ireny rehefa misy vahiny mamangy. Raha izay ny momba ny tsihy, hojerena indray izao ny lanjan’ny fampiasana ny rano mangatsiaka. Ny rano mangatsiaka Maro ny manam-pahaizana nanao fikarohana momba ny rano. Fantatra fa ny 80% n’ny vatan’ny olombelona dia rano avokoa. Noho izany, singan-javatra miantoka ny fahaveloman’ny olona ny rano. Mazava araka izany, ny antony ampiasana azy amin’ny fahan-jafy. Ireo mpandinika fomban-drazana koa manana ny fihevereny manokana momba ny rano. Ohatra ry MERCIA Eliade sy VIG Lars ary JAOVELO-DZAO Robert. Samy maneho ireo ny anjara asany eo amin’ny fiainan’ny olona, ny lanjany, ny soa azo avy amin’ny fifampikasohana aminy. Santionany amin’ny nambaran’i JAOVELO-DZAO momba izany ohatra izao ny hoe: « ny rano dia tandindon’ny fiainana, ny fananahana sy hasina. »144 Izao koa ny fomba filazan’i

144 JAOVELO- DZAO (R), op, cit, p.317 « L’eau, symbole de la vie, de la fécondité et du sacré »

106

MERCIA azy: « Ny fifampikasihana amin’ny rano dia mitondra aim-baovao hatrany satria ny fahalevonana dia arahina « fahateraham-baovao »…”145

Ary i LARS VIG dia nanambara ny fahitany ny finoan’ny Malagasy ny hery miafina ao amin’ny rano manao hoe: “Masina ny rano” hoy ny Malagasy, “satria mahafaty sady mahavokatra ny tany ary manala hetaheta”146.

Ny ifandraisan’izay rehetra izay amin’ny fahan-jafy no aseho etoana. Ankoatra ny fampiasana ny rano eo amin’ny fiainana andavanandro: fidiovana, fandrahoana sakafo…dia natao fangatahan-tsodrano sy fitahiana ny rano mangatsiaka. Koa ampisotroin’ireo raibe indroan’ny sotro lehibe amin’ilay rano ireo zafikeliny ary ny fanintelony kosa asafony amin’ny lohan’izy ireo. Mandritra ny fanatontosana izany, dia averimberiny mandrakariva ny hoe: ho tratra antitra, ho lava velona, hanam-bola hanan-karena, hotoloran-jafy tehina anie ianao. Midika zavatra fahatsarana ny rano mangatsiaka na manignitsignitsy na manaranara amin’ny joro any an-toerana. Marihina moa fa tsy misy olona any Ambodivoara mampiasa rano mafana rehefa mijoro. Amin’ny ankapobeny, dia mifono hevitra ratsy mandrakariva ny toe-javatra mafana. Ohatra ny mafana ra, ny mafana tratra, ary misy fomba fiteny hoe: mafanafana tahaka ny ratsy nataon-kavana. Ny tsodrano kosa dia ny mifanohitra amin’izany mba hangatsiatsiaka, hanitsinitsy, hanaranara.

Hita àry izay ny momba ny rano manao ahoana kosa indray ny momba ny zavamaniry ampisaina amin’ny fahan-jafy.

Ny zava-maniry: Betsimihilana na “Nymphea Stella Willdenow”147 Fatratra ny fandalinan’ny Ntaolo ireo zavaboary manodidina azy Iray amin’ireo fanafody miaraka amin’ny rano mangatsiaka anaty lovia ampiasaina amin’ny joro ity Betsimihilana ity. Zavamaniry mivelona any anaty rano izy io. Koa entin’ny Ntaolo nitsaboana ny rofy sy ny aretina. Manamafy izany ny filazan’ i ESTRADE hoe: “Miteny sy miasa ny zavaboary amin’ny alalan’ny tandindona

145 MIRCEA (E), op, cit, p.111 « Le contact avec l’eau comporte toujours une régénération : et parce que la dissolution est suivie d’une « nouvelle naissance »… » 146VIG (L), Ny fireham-pinoan’ny Ntaolo Malagasy, Les conceptions religieuses des anciens Malgaches, Editions Analamahitsy Antananarivo, 2001, p.108 147 CLAUDE (A), Dictionnaire des noms malgaches de végétaux, Editions Alzieu, 1999, p.218

107 ananany izay manan-kery mihoatra izay fahita andavanandro.”148 Nampiasaina tamin’ny fahan-jafy ny Betsimihilana satria inoana fa maro ny soa entiny amin’ny taranaka.

Zavamaniry manana ny maha izy azy ny Betsimihilana, eo andaniny ny bika amana endriny izay manintona ny olona. Ny Betsimihilana dia maitso mavana mandrakariva ary manana vony manintona ny maso mijery, eo ankilany kosa, ny anarany dia efa midika hevitra lalina entina ilazana fananan-javatra (harena) maro nefa tsy misy very na latsaka an-toerana fa voaangona tsara avokoa. Ny finoana raiketiny dia ny firariana atao amin’ny taranaka mba ho maro, ho tratra antitra, ho ela velona avokoa izy rehetra, ka tsy ho misy ny folaka an-dantony. Eo andaniny izany, ny Betsimihilana dia ampiasain’ny olona amin’ny joro fanefana voady satria azo ny zavatra nilaina, tontosa ny faniriana. Manan-danja ity zavamaniry ity amin’ny fahan- jafy. Milaza ny momba azy ity ihany koa moa i ESTRADE, fa izy io dia anisan’ny fanafody ampiasain’ny olona amin’ny tromba.149 Ankoatra ny Malagasy dia zava- dehibe ihany koa izy ity ho an’ny mponina ejipisiana sy ny mpino bodista. Ireo voatanisa ireo dia manana fiheverana ny momba azy ity ho anisan’ny voninkazo masina, sady misy ifandraisany eo amin’ny fivavahana satria hoe: “izy dia tandindon’ny fahaterahana sy ny fiteraham-baovao indray aorian’ny fahafatesana”150.

Izay ny momba ny anjara asan’ny zavamaniry Betsimihilana. Hojerena ny momba ireo karazam-bakana izay nampiasaina tamin’ity joro fahan-jafy ity.

Ny vakana isan-karazany Fahita eny am-bozon’ny ankamaroan’ny olona any an-toerana ny karazana vakana maromaro, efa fanaon’ny olona izany taloha araka ny fanadihadiana natao, fahita ihany koa anefa izany mandraka ankehitriny. Izany dia nataony indrindra mba ho fiarovany ny tenany amin’ny ratsy izay mety hiseho eo amin’ny fiainany. Misy koa ny sasany manao azy ho firavaka, ho haingo. Ny vakana izay nampiasaina

148 ESTRADE (J.M), op, cit, p. 133 « La nature parle et opère par les symboles qu’elle renferme et qui sont comme des condensateurs de sa force magique.» 149 ESTRADE (J.M), op, cit, p.229 « on me baigne avec de l’eau tsy dikam-borona où devrait tremper du ramanjaka, des tatamo, et du be tsy mihilana (plantes magiques). » 150 http://users.skynet.be/lotus/lotus/lotus0-fr.htm “Le lotus symbolise également la naissance et la re-naissance après la mort. »

108 tamin’ny fahan-jafy dia manana ny hevitra fonosiny fa tsy lamaody tsy akory. Manamafy izany ny filazan-dRAZAFINTSALAMA azy hoe: “Vakana: mbola tsapa amin’ny alalan’ny vakana sasany ny maha-tandidona azy, ohatra: vakanatsileondoza, tsiatosika, vakamiarina, sns…”151

Ampahatsiahivina fa misy karazany maro ireo vakana niaraka tamin’ny rano mangatsiaka sy ny Betsimihilana tao anaty lovia tamin’ny fahan-jafy. Ny rano mangatsiaka nisy ireo karazan-javatra ireo no nampisotroina ireo zafikely rehefa tapitra ny tonombavaky ny mpijoro. Noho izany, misy finoana raikitra momba ireo vakana ireo ihany koa ao amin’ny olona mampiasa azy. Tahaka ny hita teo amin’ny Betsimihilana. Misy fahatokisana azo avy hatrany amin’ny anarana entiny, sy ny hery miafina ao anatiny. Izao ny ambaran’ i ELIADE hoe: “Ny vakana dia miantoka hery sy tanjaka ary fahasalamana.”152 Manome hery hoenti-miatrika ny fiainana izy ireo ary misakana ihany koa ny loza mety hitranga. Manamafy izany koa i BERTHIER manao hoe: “Ny vakana (voan-javatra vita amin’ny metaly na bakoly) araka ny finoan’ny Malagasy dia misy fahasoavan-dehibe miafina ao anatiny.”153 Fantatra àry fa izay lôjika mifanaraka amin’ny fahasoavana ilaina no nisafidianana ny vakana. Marihina fa ny mpimasy ihany no milaza ny anaram-bakana ampiasaina. Tsy miankina velively amin’izay mahafinaritra ny tompon-draharaha izany. Koa ireto manaraka ireto aza ireo vakana nampiasaina tamin’ny fahan-jafy sy ny sandany eto amin’ity asa fikarohana ity:

Ny Tongarivo dia midika hoe: tontosa ny fahasoavana nilaina: ny fananana taranaka sy harena koa ny faniriana dia ny mbola hitohizan’izany hatrany. Ary izao ny filazan’i ESTRADE azy hoe: « mitondra ny fahasoavana feno amin’ny lafim- piainana rehetra »154

Ny Vakatody kosa dia hoe: tanteraka ny fanirian’ireo ray aman-dreny, dia ny fahatratrarana ny fahanterana ka afa-miara misalahy amin’ireo zanaka aman-jafiny.

151 RAZAFINTSALAMA (A), op, cit, p.31 152 ELIADE (M), op, cit, p.191 « […] elle (la perle) assure force et santé ». 153 BERTHIER (H), Les mouers et coutumes du peuple malagache, Edition Tananarive, 1933, p.68 « Les vakana (perles de métal ou de verroterie) ont, d’après les croyances malgaches, de grandes vertus magiques. » 154ESTRADE (J.M), op, cit, p.140 « apporte la plénitude dans tous les domaines. »

109

Tody dia hoe tratra amin’ny tanjona tratrarina amin’ny fiteny mahazatra ankehitriny moa dia hoe “tafita, azo izay zavatra niriana”

Ny Malaimisaraka: dia hoe: miombona mandrakariva ny fianakaviana, miara- miaina hatrany ao anatin’ny fifankatiavana, mitana ny firaisan-kina.

Lazain’i BERTHIER koa ity vakana ity fa: « miantoka ny fananana fiainana maharitra amin’izay mitondra azy. »155Ary ambaran’i ESTRADE ihany koa hoe: « miantoka ny faharetan’ny fanambadian’ny mpivady. »156

Ny Arivolahy: Mba hanan-karena hatrany ary tsy misy maharesy an’ireo taranaka ireo izay fahavalo mitady hisompatra. Mitahy ihany koa mba hanana hery sy tanjaka mandrakariva. Tsara moa ny manamarika fa misy zavamaniry koa izy io,

Ny Felantanatsifoana: mba tsy foana mihitsy ny harena eo am-pelan- tanan’ireo ray aman-drenibe ireo dia ny omby sy ny taranany izany.

Ny Vakamiarina: mba hisondro-boninahitra ireo ray aman-drenibe ireo sy ny zafikeliny ary ny fianakaviana manontolo eo anivon’ny firahamonina misy azy. Eto ihany koa anefa ity vakana ity dia misy ifandraisany amin’ny fotoana nanatontosana azy. Andro misandratra, mizotra miakatra dia tamin’ny 9ora tany ho any izany. Manambara ihany koa hoe « miarina ny fahasambarana » araka ny filazan’i ESTRADE azy.157 Miankina amin’ny taona ny vintana na ny sokajy ananan’ny tena ny vakana iambozonan’ny olona tsirairay

Tahaka izany ihany koa amin’ny fampiasana azy amin’ny joro. Ampahatsiahivina hatrany fa ampisotroina an’ireo zafikely ny fanafody dia ny rano mangatsiaka tao anaty lovia nisy ireo vakana sy ny Betsimihilana sady asafo amin’ny lohan’izy ireo ihany koa ilay rano.

Izay ny fanazavana momba ny finoana raiketin’ireo fitaovana nampiasaina indrindra tamin’ny joro fahan-jafy. Manana anjara toerana ambony izany ireto vakana ireto eo amin’ny fomba amam-panao fahan-jafy. Mazava àry fa tsy mandeha anjambany na natao kitoatoa ny zavatra rehetra fa manana ny hevitra fonosiny

155 BERTHIER (H), op, cit, p.69 « assure une grande longévité à qui la porte » 156 ESTRADE (J.M), op, cit, p.139 « assure aux épouses la fidélité de leur mari. » 157 IDEM, p.139 « restaure le bonheur (miarina : restaurer). »

110 avokoa ary mifandray tendro amin’ny lanonana izay atao dia ny fahan-jafy. Hovahavahana manaraka etoana kosa indray àry izao anjara toeran’ny fiarahamonina amin’ny fahan-jafy.

3.1.2. Ny fanamafisana ny firaisan-kina

Anisan’ny soatoavina malagasy ny firaisan-kina. Matoa vita ny toha-drano sy ny ady fefin’ny tanàna ary ny tsangam-bato isan-karazany izay mbola hita taratra mandraka ankehitriny ny santionany satria teo ny firaisan-kina. Ny firaisan-kina moa dia hoe: fiaraha-mientan’ny olona mpiray monina na faritra manatontosa asa iray na maromaro sy ny fomba amam-panao ihany koa.Ohatra ny famadihana, ny fahafatesana.... Fa ny hevi-dalina fonosiny dia ny fiombonana. Manambatra ny hery hoenti-manatratra tanjona iray. Mitana andraikitra lehibe amin’izany ny fokonolona. Noho izany, foana ny fanilikiliana sy ny fanavakavahana eo amin’ny samy mpiara- belona. Manampy izany, manjaka koa ny fifankatiavana sy ny fiaraha-misalahy amin’ny zavatra izay atao. Izany no velabelarinay manaraka etoana.

3.1.2.1. Ny mpiray monina

Raha ampifandraisany ny ambaran’i DUBOIS158 ny momba ny mpiara- monina dia hoe “fitambaran’ny olona amin’ny tontolo iainany”. Olona miray aina izany satria miray tanàna. Ohatra tahaka ny ao Ambodivoara dia vavarano iray no itambaran’ny mponina iray tanàna dia ny ranon’i Tsimalahy. Mazava araka izany fa miombona aina ny mpiray monina amin’ny lafin-javatra ankapobeny. Araka izany, raha vao misy asa goavana atao toy ny fanorenana trano na fasana sy ny fomban- drazana atao amin’ny fomba fankalazana manetriketrika dia tsy maintsy mila ny fokonolona. Koa ny fiarahan’ny fokonolona mivondrona no manome hery ny tompon-draharaha amin’izay ataony.

Raha jerena akaiky ny fiainantsika olombelona dia hita miharihary izany. Manam-pirehana voajanahary hiara-monina sy hiara-miasa hatrany ny olona. Hany ka n’iza n’iza manam-bola aman-karena na manam-pahaizana dia tsy maintsy mila ny hafa mandrakariva.

158 DUBOIS Robert, Malagasy aho, Edisiôna Md Paoly Antananarivo, 1998, p.51&52

111

Hita taratra ny fihetsika miara-mientana amin’ny fahan-jafy, vory lanona ny rehetra. Samy manao ny asa manandrify azy ny isam-batan’olona, ny tsirairay.

Fantatra fa, tsy amin’ny asa aman-draharaha ihany no iombonan’ny mpiray monina, eo ihany koa ny fiaraha-mikorana sy mifaly. Ohatra amin’ny fotoanan’ny mamana lapa ka hatramin’ny fafa lapa. Izany rehetra izany dia mamohafoha ny firaisan-kina sy ny fifankatiavana.

Farany, zava-dehibe ny fiombonam-bavaka, andaniny ny rehetra no tonga manatrika ny fotoana, ankilany, misy ny vavaka famaranana iarahan’ny rehetra miredona hoe: «hahasoa hahatsara Andriamanitra Andriananahary! » arahina fihetsika mirindra: manandratra ny tanana roa any an-tampon-doha ny tena manontolo kosa somary mandretaka. Hita taratra amin’izany, ny fiheverana fa hoe ny vavaky ny maro mahaloa-danitra.

Fantatra fa manerana ny Nosy amin’ny ankapobeny ny fomba amam-panao dia mampivondrona ny mpiara-monina. Ohatra iray manamafy izany ny “laza”, fomba amam-panao any Lakato Moramanga araka ny fitantarana nataon’i CATHY hoe: “Ny fifanampiana misy eo amin’ny samy mpiray tanàna no misongadina satria na ireo mpifahavalo andavanandro aza dia mihavana eo am-panaovana adidy, izay ifampifehezan’ny fiarahamonina.”159

Ankoatra, ny fahaizana miray hina eo amin’ny asa isan-karazany, eo ihany koa ny fiombonana aina, amin’ny fiaraha-misakafo. Ity fihetsika miombon-kanina ity no tena ahatsapana ny lanjan’ny fifankatiavana sy ny fifampitokisana. Ohatra ny zava-misy any an-toerana rehefa jamà na fahoriana dia vilia iray no itambaran’ny olona roa na telo. Mitsabaka ao avokoa ny sotron’izy ireo, koa mifangaro ao ny ranon’ivin’ ny rehetra. Tsy misy mihambahamba ny olona amin’ izany fa toa mifandrombaka aza manao izay hahavokisana haingana. Hita àry, fa toa mampazoto kokoa ny olona ny firaisam-bilia amin’ny hafa mpiray tanàna aminy rehefa misakafo. Ankoatra izany, eo ny fizarana hena manta, izay natao ho an’ireo tsy afa-misakafo miaraka. Efa fanao mahazatra any an-toerana izany.

159 Gazety Lakroan’i Madagasikara, taona faha87, laharana faha 3891, alahady 26 okitobra 2014, p.14

112

Manamafy izany i COUSINS: “Raha mifanalavim-ponena ny mpihavana, ka tsy afaka hifampiantso sy hifanasa” hijaka” any an-tranony, dia mifanatitra hena kosa, na dia ohatra kitika toy ny loha-tondro monja aza, fa “nofon-kena mitam- pihavanana” izany ka tsy anadinoan-kavana.”160 Samy mametraka ambony hatrany ny fihavanana sy ny fiombonana aina, ny hetsika rehetra aseho amin’ny fahan-jafy.

Ireto toetra amam-pihetsika roa farany ireto: vavaka sy fiaraha-misakafo dia saika misy itovizany amin’ny fomba fanaon’ny kristianina. Misy ny fiaraha- mivavaka ary ao anatin’izany koa ny fiaraha-misakafo.

3.1.2.2. Ny mpianakavy

Soatoavina sarobidy ny fianakaviana ho an’ny Malagasy. Toerana voalohany izy hanabeazana ny taranaka. Fototra itsimohan’ny aina, ny taranaka fara mandimby. Ipetrahana adidy goavana araka izany ny ray aman-dreny niteraka sy ireo zokiolona rehetra ao anatin’ny fianakaviana amin’ny fikolokoloana sy ny fanabeazana ireo solofo sy dimby. Fantatra koa anefa fa mifameno hatrany ny olona tsirairay ao anatin’ny fianakaviana. Ohatra ny ray aman-dreny manoro hevitra ny zanany. Tsy latsa-danja amin’izany koa fa misy soa raisin’izy ireo koa avy amin’ny taranany. Tsapa izany nandritra ny fotoana nivorian’ireo zafikely herinandro maromaro nialoha ny lanonana fahan-jafy izay natrehinay. Niara-niaina, tao amin’ireo raibeny ireo zafikely rehetra. Tsapa araka izany ny hafaliana sy ny fahavitrihan’ireo raibe ireo nisangisangy sy nifanerasera tamin’ny zafikeliny. Tsapa fa nitondra fahafinaretana sy fahasambarana ho azy ireo izay toa efa reraka ihany, ny firiariavana niaraka tamin’ireo zafiny. Ireo zafikely koa dia hita fa samy tsy te hisaraka ny tsirairay. Nandritra ny fotoana niarahan’izy ireo dia toa nihanitombo ny fiombonam-po teo amin’ny tsirairay. Izay ilay akon’ny fifaneraserana akaiky sy ny fiombonana eo amin’ny mpianakavy. Samy mitondra ny anjara biriky manandrify azy ny isam- batan’olona. Maneho ny mahasarobidy ny fahasamihafana ka mifanaiky sy mifanaja.

Ny fianakaviana moa ho an’ny Marofotsy, dia anisan’ny zavatra maha sarotiny azy. Saika mitovitovy ny fomba filazan’i DUBOIS Robert azy amin’ny fomba fiainan’ny olona any amin’ny Antemoro ny fihavanana marofotsy. Mahery ho an’ny Marofotsy izany hoe: “havako ity”sy ny hoe “iray ra amiko ity”. Noho izany

160 COUSINS, op, cit, p.159

113 dia “fianakaviako izy”. Tsy mijery izay elanelana misy izy ireo hoe lavitra na akaiky fa ny zava-dehibe ho azy dia ny ra ifamatorana. Azo ambara fa mafy ho an’ny Marofotsy ny hisaraka amin-kavana. Izy no tonga amin’ny ilay hoe: « Omby milela- bato ka aleony maty eo an-tanindrazany » satria tsy zakany izany hoe: very faty izany fa kosa tsy maintsy miray taolan-doha amin’ny razany ihany no tiany sy sitrany indrindra. Fantatra izany, tamin’ireo olona maro nanontanianay tany an-toerana.

Mahagaga anefa fa saro-pantarina ny fifandraisana misy ao Marofotsy raha andavanandro. Tsy fantatra mihitsy izay rohim-pihavanana misy ao amin’ny olona raha tsy amin’ny fotoanan’ny lanonana na fahoriana. Koa tsara araka izany ny manadihady vao mifandray tendro aminy. Amin’ny ankapobeny dia tsy tia mieboebo ny Marofotsy fa rehefa misy fivoriam-pianakaviana dia mifanolo-tanana, mifanotrona, miara-miantsoroka adidy ny mpianakavy. Izany no ataony dia mba tsy haharesy tondro- maso ny haja sy ny lazan’ny fianakaviana eo amin’ny mpiray monina.

Iaraha-mahalala ny zava-misy eo amin’ny fiarahamonina amin’izao fotoana izao. Na any ambanivohitra tahaka an’Ambodivoara aza dia tsapa fa miova tsikelikely ny fiainam-pianakaviana. Manjaka ny halatra sy ny ady lova ary ny disadisa isan-karazany. Toa samy mandeha samy mitady ny ankamaroan’ny fiainam- pianakaviana. Fositra mikiky ny fiainam-pianakaviana izany. Noho izany, ilaina ny mamerina azy tsikelikely amin’ny laoniny. Anisany zava-dehibe, ny fisian’ny fomba tahaka ny fahan-jafy izay mampiaina, mampivondrona indray ireo zafikely rehetra tao anatin’ny fianakaviana sy ny mpianakavy rehetra. Ohatra, ny fiarahan’ ireo zafikely ireo niaina sy nisakafo, nihinana laoka trafon-kena, zava-dehibe izany ary tsy hoadinoin’izy ireo. Ankoatra izany, ny fanomezana tsodrano ireo zafikely ireo izay fanta-daza fa zava-mahery izany amin’ny Malagasy. Andaniny izany koa ny fifanajana misy eo amin’ny antanantohatra: ny raibe, ny ray aman-dreny, ny zoky sy ny zandry. Voafaoka tao anatin’ity fomba fahan-jafy ity avokoa ny fitiavana ny taranaka sy ny fanabeazana azy hanana fahaiza-miaina mendrika. Ny fianakaviana izany dia anisany antoka iray mampivoatra ny mahaolona. Manamafy izany ity tenin’i Monsenera Jean de Dieu ity hoe: « Isan’ireo andraikitra lehibe anirahana ny fianakaviana ny mampita amin’ny taranaka mifandimby ny lanjan’ny soa toavina manorina ny olombelona eo amin’ny fiarahamonina sy ny voka-tsoa aoriny izay

114 arafitry ny fitiavana sy ny finoana ary ny fiainam-panahy. »161 Raha izay ny akony teo amin’ny fiainam-pianakaviana dia inona kosa ny fanabeazana miantefa any amin’ny olona.

3.1.3. Ny fanabeazana ny olona

Hoy i ANDRY ANDRAINA hoe: « rahefa entina ohatra ny biby ny olona, dia mitondra tena ohatra ny biby koa. »162 Tsy azo atao ambanin-javatra ny fanabeazana ny olona fa tokony ho vain-dohan-draharaha, ary izany dia kendrena mba hifanaraka amin’ny kolontsainy sy ny tontolo misy azy.

3.1.3.1. Ny fiarovana ny aina maha olona

Amin’ny Malagasy dia manan-kasina ny aina ao amin’ny olombelona. Maro araka izany, ny fomba atao manomboka hatrany am-bohoka ka mandra-pahafaty ary aorian’ny fahafatesana aza. Anisan’ny fomba anankiray manasongadina ny fanomezan-kasina ny aina ny fahan-jafy. Miharihary amin’ny fanatontosana ity fomba ity fa sarobidy ny aina ary mamy ny miaina. Noho izany, kajina fatratra ny fananana azy. Tsy maintsy ankinina amin’ny fitahian-Janahary sy ny Razana izay loharano nipoirany izany aina izany mba hiarovany azy haharitra ho tratra antitra, ho ela velona.

Ny zava-misy anefa ankehitriny izay fahita manerana izao tontolo izao dia miha mahazo vahana ny vono olona. Ekena fa trangam-piainana efa nisy hatramin’izay izany na dia teto Madagasikara aza, manaporofo izany ny voalazan’i DECARY: “fanaovana sorona olona”163, sy ny sisa hafa izay efa nambara tany aloha. Izany rehetra izany anefa dia mahalan-ko hita ary misy antony lehibe. Amin’ny vaninandro ankehitriny dia samy mahatsapa ny rehetra fa miova ny fomba fijery sy ny foto-pisainan’ny ankamaroan’ny Malagasy. Na zavatra tsy dia misy dikany lehibe akory aza dia efa mifamono ny olona. Ankoatra ireo famonoana olona amin’ny fomba mivantana toy ny tifitra, ny daroka… dia hita ihany koa fa manjaka ny famonoana olona azo lazaina fa amin’ny fomba mihaja, Ohatra amin’izany ny fanalan-jaza, ny fanakanana ny fitsaihan’ny zaza ao am-bohoka. Marihina moa fa

161 Gazety lakroa, op, cit, p.13 162 ANDRY ANDRAINA, Mitaraina ny tany, Librairie Mixte, Antananarivo, 2009, p.152 163 DECARY (R), Mœurs et coutumes des Malgaches p.234 « Les sacrifices humains »

115 ankatoavin’ny firenena sasantsasany ny fanatanterahana izany. Ohatra ny ankamaroan’ireo firenena Eôrôpeana, ny any Amerika... Mamela malalaka ny olona amin’izay safidiny na hiteraka na tsia. Izany fomba fiheverena izany, dia efa miely tsikelikely eo amin’ny fiarahamonina malagasy. Ohatra ny fampiharana ny fanabeazana aizana dia mazava fa, vatsin’ireo firenena matanjaka ny fanapariahana azy indrindra aty amin’ny tany sahirana tahaka ny kaontinantan’i Afrika. Manaporofo izany ny voalazan’i SYLVIE Brunel hoe: “Ny “ONG” Gates, Ford, Rackefeller, Parkard, Cliton,…izay tsy mitana fitaovam-piadiana ao amin’ny governemanta, nefa kosa mamatsy vola mba hanapariahana ny hevitra izay manohitra ny fiterahana “antinatalistes” sy ny fahasalamana izay tsy miantoka firy ny fahatezan’ny aina, izany dia manan-danja eo imason’ny amerikanina, manoloana ny fitomboan’ny mponina afrikana sy ny firongatry ny areti-mandoza toy ny sida.”164 Ny ankamaroan’ireo trangan-javatra voatanisa teo ireo dia hita eto Madagasikara. Ohatra eny amin’ny CSBII any ambanivohitra aza dia manao fanentanana ny mpiasan’ny fahasalamana amin’ny fanabeazana aizana, ary eny amin’ny toeram- pivarotana enta-madinika dia misy pilina ilaina izany sy ny fimailo ihany koa ialana amin’ny fitondrana vohoka sy ny areti-mifindra. Mitera-doza eo amin’ny fiainam- piarahamonina malagasy izany, indrindra amin’ny fanabeazana ny fomba fitondran- tenan’ny tanora malagasy.

Manaporofo izany ny resaka nifanaovanay tamin’ny mpiasan’ny fahasalamana tany an-toerana hoe: « Izahay mihitsy no manentana ny olona mba hanao fanabeazana aizana. Ny antony dia iaraha-mahalala fa miha sarotra ny fiainana aleo mba harindra ny zaza ateraka sady tsy lamaody intsony ny miteraka maro.”

Koa anisan’ny zava-dehibe ny fananana fomban-drazana tahaka ny fahan- jafy. Mamerina tsikelikely ny fo aman-tsain’ny olona indray hahatsiaro tena fa ambony ny aina ary manan-kasina. Adidy goavana araka izany ny fanabeazana ny olona mba hahay hampifandrindra ny maha malagasy azy amin’ny vaninandro ankehitriny.

164 SYLVIE (B), L’Afrique est –elle si bien partie ?, Sciences Humaines, Editions, 2014, p.61 « Les fondations Gates, Ford, Rockefeller, Packard, Cliton, etc.. les grandes ONG américaines, qui ne sont que le bras désarm é de leur gouvernement, financent ainsi des campagnes antinatalistes et sanitaires très interventionnistes, qui représentent aux yeux des Américains la vigoureuse démographie africaine et l’ampleur de l’épidémie de sida. »

116

Mazava àry fa manabe ny olona amin’ny fiarovana ny aina ny fahan-jafy. Ankoatra izany inona koa àry ny mety mbola vokatsoa azo avy amin’ny fanatontosana ity fomba amam-panao ity?

. 3.1.3.2. Ny fandraisana sy ny fanaovana adidy Hoy ny fitenenana tsy miala eo am-bavan’ny maro hoe: « ny adidy tsy an’olon-dratsy. » Manambara izany fa, mampitombo ny hasin’ny olona iray ny fanatontosany ny adidy. Matetika moa dia fantatra amin’ny adidy izay tanany ny mety ho fomba aman-pihetsiky ny olona iray. Tamin’ny fahan-jafy natrehinay dia samy nanana ny andraikiny avokoa ny isam-batan’olona. Samy nanao izay nankinina taminy ny tsirairay. Fomban-drazana iray anisany mampianatra ny olona hizatra handray andraikitra sy ho mahay miara-miaina ny fahan-jafy. Tsy nisy araka izany ny olona niraviravy tanana tsy nandray ravin-deno. Samy nikofoka nanao ny anjara asany avokoa ny rehetra noho ny tahotra ny aloan’ny fiarahamonina. Manamafy izany ny nambaran’i DUBOIS manao hoe: “Manimba ny fihavanana ny olona tsy mahavita ireo adidy…”165Noho izany, hatramin’ireo zafikely, izay ny ankamaroany zaza madinika dia nanao am-pitiavana izay asa sahaza azy. Fanabeazana azy ireo sahady izany mba hahay hiatrika ny ho aviny eo amin’ny fiainam-piarahamonina.

Azo heverina mantsy fa rehefa samy mandray adidy manandrify azy ny olona dia mivoatra ny fiainam-piarahamonina. Mety hihena ny halatra isan-karazany. Hojerena manaraka àry izao ny momba ny fiharian-karena.

. 3.1.3.3. Ny fahaizana mihary Hoy RABETSITONTA Tovonanahary, anisan’ny politisianina malagasy hoe: « tsy lahatra akory ny fahantrana ». Misy lafiny mahamarina izany fomba fijery izany. Ny fihariana dia miankina amin’ny ezaka sy ny finiavan’ny tsirairay hiasa. Miara-dalana amin’ny fanohanan’ny fanjakana sy fitondrana mifehy ny lafiny ara- toe-karena anefa izany. Zava-poana mantsy ny ezaky ny olona raha tsy misy vokatra eo amin’ny fiainany. Ohatra miompy ny olona, adidin’ny fitondrana ny manohana ny ara-pitsaboana ny biby, ny miaro ny dahalo. Tsy miady irery ny tantsaha amin’izay fotoana izay ka marisika hanitatra ny fomba fihariany. Ny Ntaolo dia nahatsinjo ny tokony hiezahan’ny olona amin’ ny fivelomana sy ny fomba fiainana. Hoy ny

165 DUBOIS Robert, Malagasy aho, p.56

117 ohabolana hoe: “Andriamanitra tsy miahy ny olona tsy miahy ny tenany. » Noho izany, misy ny ezaka ataony amin’ny heriny fa tsy adinony koa fa fady ny manao ariary zato am-pandriana.

Ekena fa anisan’ny fomba amam-panao mandany vola aman-karena ny fahan- jafy. Tsapa koa anefa fa, ny hetaheta sy ny faniriana te hanao an’ilay fomba dia mandrisika ny mpianakavy, tsy hipetrapetraka mihitsy amin’ny fitadiavana izay rehetra ilaina fa hiezaka mamokatra, mamboly sy mampiasa vola hampitombo ny eo am-pelan-tanana mba hoenti-manatanteraka ny faniriany. Misy araka izany ny miala ny tranony ka mandeha mipetraka amin’ny hafa mihitsy mikarama mba hahazoana manefa ny adidiny.

3.1.3.4. Ny fampandrosoana ny tanàna

Mametraka hatrany ny rafitra antanantohatra ny mponina ao Ambodivoara. Ohatra eo amin’ny fianakaviana dia hajaina ny ray aman-dreny sy ny zoky tahaka izany koa eo amin’ny mpitondra ny tanàna izay voafidim-bahoaka. Araka izany lamina misy izany dia manaiky sy manatanteraka ny lalàna sy ny fitsipika mifehy ny fiarahamonina ny vahoaka. Ohatra ny fangatahan-dalana mialoha ny jamà, ny fanaramana ireo andrimasom-pokonolona, ny lalàna manery ny olona hanadio ny tanàna, hampiditra am-bala ireo kisoa mirenireny eny rehetra eny. Izany rehetra izany, dia mitondra fivoarana satria mikajy ny fahadiovana, ny fandriampahalemana. Ankoatra izany, mampidi-bola ho an’ny fokontany ny haba aloha amin’ny fangatahan-dalana, ny fanakaramana ny andrimaso miantoka ny filaminana.

Raha aravona izay rehetra izay, dia hita fa maro ny lesona azo tsoahina amin’ny fahan-jafy. Anisan’ny fomba malagasy manabe ny olona amin’ny lafim- piainana samihafa ity fomba amam-panao ity. Toy ny fomban-drazana rehetra anefa dia misedra olana ihany koa ny fahan-jafy ankehitriny. Hojerena manaraka etoana ny mombamomba izany.

3.2. Ny olana

Maro ireo rivo-baovao mitsioka eo anivon’ny fiaraha-monina amin’izao vaninandro izao eto Madagasikara. Ireo firenena vaventy mandroso, te hampanjaka sy hanaparitaka ny kolontsainy.

118

Ny tany an-dalam-pandrosoana kosa dia sahirana ara-pivelomana ny ankamaroan’ny mponina ka, mora mandray izay zavatra atolotra azy. Ohatra eo amin’ny ara-toe-karena, ara-pôlitika, ara-tsôsialy. Singanina ohatra ny momba ny sôsialy. Misy maro ireo karazam-pivavahana hita eto Madagasikara, santionany fotsiny no ambara etoana toy ny Vahao ny oloko, Miara-manompo, Môrmô…manana ny foto-keviny sy ny fiheverany ireny, ary tiany ho latsa-paka ao am-po amam-panahin’ireo mpanara-dia azy izany. Koa mety hitondra fahatsarana izany fa tsy ferana ihany koa, izay mety mifanohitra amin’izany. Mahasarika kokoa ny maro amin’ny tany sahirana ara-pivelomana mantsy ny manaraka ny fomba vaovao avy amin’ny vahiny. Noho izany, lasa “safiotra”ny foto-pisainan’ny olona amin’ny ankapobeny sady “Malagasy no Sinoa na Karana…”ary ny tena angano aza dia lasa atao toy ny valalan’alika ny an’ny tena. Ohatra, misy maro amin’ireo tanora Malagasy no tsy mino ny herin’ny Razana. Vokany, vao tambazan’ireo vahiny vola kely fotsiny izy dia sahy maka ny taolan-drazany ary manondrana izany ho any ivelany.

Izany rehetra izany dia loza mananontanona ny firenena malagasy satria ny soatoavina mihitsy no marary. Tsy misy tsy mitaraina ireo zokiolona azo ambara fa nahatra-drazana fa simba ny fanabeazana ny taranaka ankehitriny. Tsy mipetraka firy intsony ny haja sy ny lanjan’ny ray aman-dreny, na eo amin’ny ankohonana, na eo amin’ny fiarahamonina. Ohatra manamafy izany ny lazain-dRAKONDRAVONY, 74 taona, mpitsabo misotro ronono any an-toerana manao hoe: “Efa hafa ny rivotra ankehitriny e, raha misy zaza mba teneninao fa tsy mety ny ataony dia izao no avaliny: ny anareo efa lany andro, tsy any ny lalany, misy mihaino”. Izany rehetra izany, dia olana goavana eo anivon’ny fiarahamonina satria miteraka disadisa ny tsy fitovian-kevitra ary mety miafara amin’ny fahavakisana eo amin’ny fiainan’ ny mpianakavy sy ny fiarahamonina.

Raha izay ny zava-misy ankapobeny eo amin’ny fiarahamonina. Hovahavahanay manaraka kosa ny fisehoan’ny olana eo amin’ny lafiny sôsialy.

3.2.1. Eo amin’ny lafiny finoana

Sehatra ara-pinoana sy fivavahana moa ny asa fikarohana izay nataonay. Mazava araka izany fa tsy maintsy jerena hatrany ny lafiny manodidina izany.

119

Fantatra tany aloha àry fa, misy karazam-pinoana roa ao Ambodivoara dia : ny nentin-drazana sy ny kristianina. Tsy hanadihady izany akory ny atao eto fa ny olana misy eo amin’ireo mpino miara-monina. Tontolo roa samy hafa ny kristianina sy ny fivavahan-drazana. Samy mikatsaka ny fahatsarana sy ny fitodihana amin’ny Mpahary izy ireo. Misy anefa ny fanambaniana ny hafa. Manana fiheverana ny kristianina fa ny fivavahany no mendrika indrindra. Hany ka manamavo ny nentin- drazana. Ohatra misy ireo mpitondra fivavahana mandrisika ny olona hihinana ny fadin-drazany toy ny Osy, ao ihany koa ny fanimbazimbaina ny toerana masina izay notoavin’ny razana hatramin’izay dia ny vazimba ANDRIAMANARAKANAKA ao atsinanan-tanàna. Simbana ny fefy amin’izay afaka miditra ao ny kisoa satria hoe: « finoanoam-poana sy fanompoan-tsampy izany ». Mazava àry fa , voahozongozona ny finoan’ny olona. Misy maro ireo olona no misavoritaka ny sainy.

Izay ny momba ny finoana koa manao ahoana kosa indray àry ny ara-toe- karena.

3.2.2. Eo amin’ny lafiny toe-karena

Manana anjara lehibe eo amin’ny hetsika rehetra atao ny fananan-karena, indrindra raha any ambanivohitra tahaka an’Ambodivoara, lohalaharana amin’izany ny fananana omby. Manampy izany ihany koa ny vary izay foto-tsakafo.

Mandalo fahasahiranana anefa ankehitriny ny mpiompy omby. Ao ireo karazana aretina mandripaka ny omby toy: ny besoroka, ny bilariziôzy, ny aretim- pivalanana, ny haromontana…Any an-toerana anefa tsy misy na dokoteram-biby na ny fanafody hovidina. Mandeha an-tongotra any amin’ny 80km vao misy dokotera mpitsabo biby, ao amin’ny kaominina Ambakireny. Ny vidim-pnafody koa amin’izany dia lafo. Izao manaraka izao ny fafana maneho izany:

Fafana 7: Ny vidim-panafodin’omby

Oxytetra- Pilin- Fanafody Besoroka Bilariziôzy Vitamine cycline kankana

Vidiny - 30000Ar 15000Ar - 3000Ar

Karama 500/ - - 5000Ar - manindrona omby

120

Hita araka izao fafana izao fa, anisany manahirana ny mponina ny fiompiana omby. Ny bilariziôzy moa no tena mpahazo ny omby any an-toerana. Midangana be anefa ny saram-panafody amin’izany: 30.000Ar ny tavoahangy iray. Ankoatra izany, dia eo ny asan-dahalo. Anisan’ny distrika ao anatin’ny faritra mena amin’ny asan- dahalo i Tsaratanàna. Ao amin’ny kaominina Keliloha dia tsy latsaky 50 ny omby very isan-taona. Mizaka ny tsy eran’ny aina amin’izany ny mponina. Ohatra misy olona manana omby miisa 30. Efa am-polo taona maro no nitadiavany izany. Indray alina monja anefa no hakan’ny dahalo azy.

Fitaovam-piadiana mahery vaika no ampisain’ireo dahalo izay mandrava any an-toerana. Mifanohitra amin’izany kosa ny an’ny mponina; tsotra sady marefo. Ohatra saboa, famaky, langilangy, kobay, vato…Olona vitsy no mba manana basim- borona ao Ambodivoara. Mahakivy ny mpiompy omby ity asan-dahalo ity. Hany ka tsy mitahiry omby betsaka intsony ny olona any an-toerana.

Zava-dehibe ihany koa ny vary amin’ny fotoana famoriam-bahoaka. Tsy afa- misaraka amin’ny fiainan’ny Malagasy izy io. Izy no foto-tsakafo, sady manana anjara toerana lehibe tahaka ny omby ihany koa, amin’ny fanatontosana fomban- drazana. Ohatra misy ny mitondra vary rehefa mijoro, ao koa ny mametraka fotsim- bary, na vary akotry eny amin’ny fasana atao tolotra. Izany rehetra izany dia mametraka ambony ny lanjan’ny vary izay sakafon-drazana. Hita any an-toerana ny manolotra santa-bary eny amin’ny fasam-bazimba. Manana fiheverana ny olona fa andriamanitra kely ny vary satria toa tsy velona izy raha tsy mihinam-bary. Manaporofo izany voalazan’i LAULANIE hoe: “Mahantra ny mpamboly Malagasy rehefa tsy manana tanimbary, na dia efa mahazatra azy aza ny mihinana katsaka, ny sakafony amin’ny fety kosa dia ny vary ihany.”166 Izany rehetra izany dia maneho fa zava-dehibe ny vary ary manana ny lanjany tokoa. Noho izany ny tsy fisiany na tsy fahampiany dia olana goavana eo amin’ny lafim-pianana rehetra eo amin’ny fiarahamonina. Tsapan’ireo tantsaha anefa fa miha mihena hatrany ny rotsak’orana,

166 Henri de LAULANIE, Le riz à Madagascar, édition Ambozontany-Edition Karthala, 2003 « Lorsque l’agriculteur malgache n’a pas de rizières, il est malheureux. Même lorsqu’il s’est habitué à manger le maïs, c’est vraiment le qui est sa nourriture de fête. »

121 ny velaran-tany volena miha tery satria ao ny tany vaki-reny, ao ihany koa ny tototry ny tain’atsanga.

Ny zava-misy anefa dia ny olona miha mitombo, ny tanimbary midi-drano tsy misy. Ankoatra izany, eo ihany koa ny andiam-balala, mamotika tanteraka ny voly, tena mampitondra faisana ny tantsaha. Marihina fa ny fomba nentin-drazana no ampiasain’ny mponina amin’ny fambolem-bary. Noho izany, hita fa kely ny vokatra miakatra. Koa efa manahirana ny olona ny sakafo ampy ho an’ny fianakaviany. Vao mainka, tsy ho vitany ny hamahana vahoaka amin’ny lanonana. Tsapa ihany koa anefa fa misy ireo olona sasantsasany manana tanimbary sy tanety mihitsy tokony hanaovany fambolena saingy variana amin’ny fiasana volamena izy ireo.

3.2.3 Eo amin’ny lafiny sôsialy

Tsy mandeha ho azy na misaratsaraka ny fiainam-piarahamonina fa mifandray sy mifandrohy avokoa ny lafim-piainana rehetra ao aminy na sôsialy na toe-karena... Sahirana ny olona amin’ny ankapobeny indrindra nihamafy izany hatramin’ny nisian’ny korontana teto amin’ny firenena. Tsy ampy ny fivelomana nefa ny vidim-piainana lanja miakatra hatrany. Aseho manaraka izao ny vidin’ny enta- madinika ampiasain’ny mponina andavanandro ao an-tanàna, izay anisany ilaina amin’ny fanatontosana fomban-drazana. Manoloana izany vidin’entana midangana izany, ny vidim-bary sy ny omby dia maivana kokoa. Ny asa vary anefa sarotra sady maharitra ela vao ahazoana vokatra. Ny fiompiana ihany koa tahaka izany, tsy mahaleo ny sarany ny vidiny. Izao manaraka izao ny momba izany:

Fafana 8: Ny vidin-javatra sy ny vidin’omby

Karazana omby Vidiny (AR)

Vositra 8 – 9hetsy

Reniny 5 -3hetsy

Vantony 6-5hetsy

Tiamboay 5-3hetsy

122

Karazana enta-madinika ao VIDINY(AR) an-tanàna

Zava-pisotro mamy (Coca, 4000/GM Bonbon anglais…

Zava-pisotro misy alikôla 1500 ka hatramin’ny 3000 ny (THB, Rhum…) 1tavoahangy

Toaka gasy 3000/L

Siramamy 1500/Kp

Kafe 2500/Kp

Sira 1500/Kp

Lasantsy 5000/L

Solitany 5000/L

Marihina fa amin’ireo vidin’omby ireo dia mbola maro ireo hetra alaina amin’izany. Ohatra: Amin’ny fanondroana avy eo amin’ny fokontany dia efa mandoa vola 1.500Ar, ao amin’ny “délégué” indray 10.000Ar, ary ao amin’ny zandary 5.000Ar. Isaky ny omby amidy no andoavana izany. Raha jerena akaiky izany dia resy ny mpiompy, ny vola efa kely mbola zaraina amin’ny hafa ihany. Ny vidim-bary indray kosa dia miovaova araka ny vanim-potoana: amin’ny fiakaran’ny vokatra dia eo amin’ny 4.000Ar ny iray daba amin’ny vary akotry, ary 150Ar ny kapoakan’ny varifotsy. Rehefa fahavaratra, volana febroary sy martsa eo kosa indray dia mahatratra any amin’ny 10.000Ar ka hatramin’ny 12.000Ar ny iray daba, ary 500Ar ny kapoakan’ny fotsim-bary. Ohatra tamin’ny taona 2012 nanatrehanay fahan-jafy dia toy izao ny fandaniana tamin’izany: vary dia 65 vata namahanana ny olona tao anatin’ny andro iray nanaovana ny jamà, ny kafe 100 kapoaka, ny siramamy iray gony, ny sira 30kapoaka ary ny toaka gasy 70 litatra, labiera iray “cageot”, ny “cocacola, bonbon anglais, Fanta…” raha atambatra dia fonosana roa.

123

Raha natao ny kaonty, dia vola an- tapitrisa ariary raha kely indrindra ny lany tamin’izany. Ny taona 2013 nisy nanao famadihan-drazana tao an-tanàna dia efa miakatra hatrany amin’ny 100 vata ny vary lany namahanana ny vahoaka indray andro. Nitombo hatrany ny teti-bola nanatontosana ny fomba. Lasa adidy mavesatra ho an’ny fianakaviana araka izany ny fanaovana fomban-drazana.

Raha izay ny olana amin’ny ankapobeny dia eo andaniny izany ihany koa ny fahantrana ara-tsaina: izany hoe ny fahabadoana, ny tsy fahaizana mandini-javatra lavitra.

3.2.4. Tsy fahafantarana ny hevitry ny fomba

Mora ny manaiky hanatontosa asa iray na fomba iray rehefa mazava amin’ny olona ny tombo-tsoa azo avy aminy. Azo heverina ihany koa fa anisan’ny iray amin’ireo sakana maro efa voatanisa teo aloha tsy hanaovan’ny olona intsony ity fomba amam-panao ity ny tsy fahalalany ny hevitra fonosiny. Ny ankamaroan’ny olona any an-toerana, indrindra ireo tanora no tsy mahazo mihitsy ny tena dikan’ity fahan-jafy ity. Ny zava-misy, mantsy dia toy izao: andaniny ny tanora tsy te hivaky loha hanadihady izay fomba niainan’ireo razany teo aloha izany intsony.

Mahaliana sy ampy azy ny hitan’ny masony ankehitriny, eo ankilany ny ray aman-dreny koa tsy avy hanao dingana hizara izay fantany momba ny traikefa sy ny andram-piainana nivelomany. Samy tsy misy te haka sarotra, hany ka toa lasa mifanome tsiny ny tsirairay rehefa misy olana mitranga. Manaporofo izany izao voalaza manaraka izao, araka ny filazan-dRANDRIAMBOLA, 85 taona: « Mampalahelo ny zava-misy ankehitriny, miova ny toe-tsain’ny ankizy. Tsy misy mihitsy amin’ireo taranaka eto an-tanàna mba manontany ny fomban-drazana taloha, na mba mijery ka manadihady ny momba izany. Manaotao foana no betsaka. Mandray an-tendrony fotsiny ny fomban-drazana araka izay itiavany azy. Koa na ny kabary na ny joro aza mila tsy hisy olona mahay izany intsony raha aty amin’ny manodidina. Asa manao ahoana angaha aoriana kely ao fa mety hisy Gasy handevin’olona mitsangana” Maneho izany fa miova ny fiarahamonina. Koa misy amin’ireo fomban-drazana no efa manjavona ny fombafomba arahina. Izay hita fa tena manan-danja sisa no tavela. Ireo izay heverin’ny olona fa mihatra aman’aina no tontosainy. Ohatra any an-toerana, tandrovina fatratra ny fomba momba ny

124 fahafatesana, famadihana… Manamafy izany ny voalazan-dRAZAFINTSALAMA hoe: “ ao ny finoana mafy orina, ka na miova aza ny lafim-piainana hafa na rava, tsy mihontsina ny mpino: mazàna no anisan’ireny ny finoana momba ny fiandohan’ny aina(nomen’Andriamanitra) ary ny hoavin’ny maty(lahatr’Andriamanitra, lasan-ko Razana) 167

Izany tokoa ny zava-misy any Marofotsy ankehitriny, maro ireo fomban- drazana mihavitsy mpanao ka mahalan-ko hita. Ohatra ny ala-volon-jaza, ny mivoaka itany ireo toa very momoka mihitsy, fa ny sasany misy manao mahalana toy ny valo anaka, valo zafy168, ny fahan-jafy… Midika avokoa anefa ireo fa fitiavana ny taranaka: mamy ny taranaka ary niriana fatratra koa tsy enta-mavesatra mihitsy fa fahasoavana ny fananana azy maro. Izany, ny fomba fisainan’ny Marofotsy taloha.

Ankehitriny dia toa manjavona tsikelikely izany fomba fisainana malagasy izany. Mihamahazo vahana kosa ny riba vahiny. Toa ny hoe “olo-mandroso” izay miteraka vitsy. Manenjika ny fihazakazaky ny fivoaran’ny teknôlôjia ny ankamaroan’ny olona maro. Sarotra ho an’ny olona ny minomino foana ny zavatra tsy voaporofo ara-tsiansa, eny fa na dia any ambanivohitra tany lavitra andriana toa an’Ambodivoara aza. Mainka moa fa ho an’ireo tanora izay azo ambara fa avara- pianarana.

Tsapa fa manahirana ny mampanaiky azy ny fomban-drazana sasantsany. Manaporofo izany ohatra ny nambaran’i MAXIMIN 21 taona tanora zanak’Ambodivoara mandranto fianarana eny Ambohitsaina nanao hoe: “atao ny joro fahan-jafy, izany ve dia maha ela velona e? Tsia, fa rehefa mahay mikolokolo ny vatana sy ny fahasalamana ny olona dia mateza na manao joro na tsia.”

Izay ny olana vitsivitsy nentina tamin’ity asa fikarohana ity. Hojerena manaraka izao kosa indray ny hevitra aroso hoenti-manatsara ny fiarahamonina.

167 RAZAFINTSALAMA(A), Tari-dalana ho enti-manadihady ny finoana sy ny fomba malagasy, p.10 168 Joro ataon’ireo ray aman-drenibe rehefa feno valo ny zafiny, fangataham-pitahiana amin’Andriamanitra sy ny Razana mba ho soa sy ho tsara ireo zafiny valo ireo.

125

3.3 .Ny soso-kevitra

Mihazakazaka ny rivotry ny fandrosoana amin’izao vanim-potoana iainana izao. Manao tsy omby aloha eto amin’ny tontolo malagasy izao karazan-java-baovao samihafa avy any ivelany izao. Ekena fa tsy afa-miala izany ny fiainam- piarahamonina nefa azo atao ny manabe ny vahoaka hiatrika izany amin’ny fahaizana mandanjalanja. Tsy mihinana am-bolony avy hatrany fa mifantina ny tsara mifanaraka amin’ny kolontsain’ny tena. Misy araka izany, ny hevitra vitsivitsy ho soso-kevitra entina ho fampandrosoana ny fiainam-piarahamonina any an-toerana.

3.3.1. Ny “inculturation”na “ny finoana-iainana”169

Efa nanana ny finoany mafy orina ary latsa-paka tao anatiny ny Malagasy. Manamarina izany ny voalaza ao amin’ny asan’i PIETRO hoe: « Ny Malagasy dia manana ny finoany an’Andriamanitra mpamorona izao rehetra izao talohan’ny fidiran’ny Filazantsara teto Madagasikara ».170Heverinay araka izany fa tsara ary mety mahomby ny fanaovana ny “inculturation”. Ny atao hoe “inculturation” hoy i BENOLO dia: “fampanjariana fiainana ny finoana. […] finoana-iainana”.171

Ankoatra izany, manana ny famaritany ihany koa RAMAROSON: “tsy misy famaritana tokana azo omena ny “inculturation” rahateo koa satria misahana lafin- javatra maro ny lohahevitra. “ Inculturation”: […]; fahaizana mampifandray lalina dia lalina ny finoana maha-kristianina sy ny tontolom-piainana; fampifanarahana ny finoana kristianina sy ny tontolom-piainana niaviana.”172. Olon’ny finoana an’Andriamanitra Andrianahary sy ny Razana ny Malagasy. Noho izany dia anjaran’ny mpitondra fivavahana no manao izay hanintona ny olona amin’ny fivavahana toriny. Tsara araka izany, raha mba miezaka miditra eny anivon’ny vahoaka ireo mpitory ny fivavahana kristianina. Mitondra hafaliana sy fiadanam-po ho an’ny olona. Tahaka ny nataon’ireo misiônera tany an-toerana taloha.173.

169 BENOLO (F), op, cit, p.44 170 PIERTRO(L), op, cit, p.65 171 BENOLO(F), op, cit, p.47 172 RAMAROSON (B), op, cit, p.5 173 Tovana p.vii

126

Manampy izany koa dia ohatra azo tahafina amin’ity “inculturation” ity ny hita tany amin’ny foko Antembahoaka tamin’ny Sambatra ôkitôbra 2014. Izao no voalaza momba izany: “Naiditra tao am-piangonana ny zaza nosambarina tamin’ity” […] Io hetsika natao io dia natao hampisehoana ihany koa fa tokony hijery ny soatoavina amin’ny fomba ny Fiangonana ary hampifandray izany amin’ny soatoaviny…”174 Na izany aza anefa, ilàna fandanjalanjana ny zava-drehetra satria ny olona tarihina dia efa manana fiheverana milafika ao an-tsainy, ka ataony mifangaro voraka ao avokoa ny rehetra, araka izao tranga nolazain’i GUILIO izao hoe: « nisy fotoana, nisy mompera iray nasain’ny olona tao amin’ny paroasiny mba hanolotra lamesa fangataham-pahasoavana mba hahafaty ny antoko mpanohitra azy ara- pôlitika: tranga iray izany ao amin’ireo maro samihafa »175

Izay ny momba ny finoana. Inona àry ny azo atolotra momba ny fanabeazana.

3.3.2. Ny fanabeazana

Hoy ny Ntaolo: « Ny taon-trano tsy efan’irery », « Ny hazo tokana tsy mba ala » ary « Ny tondro tokana tsy mahazo hao ». Araka izany, dia adidy goavana ary tsy an’olona tokana ny fanabeazana fa voafaoka ao avokoa ny rehetra, na ny isam- batan’olona ao an-toerana, na ny fanjakana, na ny fiangonana…Tontolo hamolavolana ny olon-drehetra ho tonga olom-banona ny sekoly. Zavatra telo ihany no entinay etoana momba ny hanatsarana izany:

Voalohany, ny tokony mba handraisan’ny fanjakana an-tanana ny fiahiana sy fampiofanana ny mpampianatra, ary ny fampitaovana ny sekoly. Satria tsy tomombana ny fahalalana azon’ny mpianatra rehefa tsy ampy ny traikefa ananan’ny mpampianatra. Tokony hotanterahin’ireo mpitondra ny fampanantenana nataony, amin’ny fampihenana ny vola alohan’ny ray aman-dreny eny anivon’ny sekolim- panjakana. Fositra mampijanona ireo zaza tsy hanohy fianarana mantsy izany.

Faharoa, mila fanabeazana koa ny ray aman-dreny any ambanivohitra ho resy lahatra amin’ny fampidirana an-tsekoly ny zanany. Mila ny fampahafantarana azy

174 Gazety Lakroan’i Madagasikara, Taona faha-87, Laharana faha 3894, Alahady 16 novambra 2014, p.9 175 GIULIO (C), op, cit, p.208 « Il y a quelque temps, un responsable d’Eglise était invité par un paroissien à célébrer une messe afin d’obetinr la mort de son adversaire politique : un cas parmis d’autres »

127 ireo ny zon’ny ankizy. Koa tsara raha izany sehatra izany no tokony hidiran’ny fiangonana an-tsehatra any an-toerana. Fanorenana sekolim-pinoana izay isan’ny fanoitra lehibe manabe ny olona amin’ny fanitaram-pahalalana sy fanamafimafisana orina ny finoana sy ny kolontsaina maha malagasy. Isam-piangonana araka izany dia azo heverina fa samy manana ny rafi-panabeazany ny mpino ao aminy. Koa izany no tokony hoentiny hampandrosoana ny fiainam-bahoaka. Ohatra ny EKAR eto Madagasikara dia manana ilay hoe: EVA “Education à la vie et à l amour” Izany moa dia tsy inona akory fa taranja iray ampianarina ny taranaka Malagasy eo anivon’ny sekoly katôlika eto Madagasikara mba hanampy ireo ankizy sy tanora beazina hiatrika ny fiainany, ny fahaizan’izy ireo mitondra tena eo anivon’ny fiarahamonina misy azy.

Tsara ihany koa raha misy lehiben’ny mpamboly isaky ny kaominina na fokontany hanome fampiofanana ny tantsaha ho amin’ny fampivoarana ny fambolena sy ny fiompiana.

Fahatelo, haverina hamafisina eny anivon’ny kilasy fanabeazana fototra indray ny fahaiza-miaina sy ny fahalalam-pomba indrindra ny fitsimbinana sy fandalàna ny aina, ny maha olona. Ary ireo voka-pikarohana vitan’ny mpianatra dia tokony mba hatao fitaovana hanampiana ireo izay eo am-pelatanan’ny mpampianatra hanabeazana ny taranaka.

3.3.3. Ny fahasalamana

Fantatra fa « lahitokana ny aina », tsy mifanentana amin’izany fomba fiheverena izany anefa ny zava-misy iainana any an-toerana satria marefo ny fitsaboana.

Mitodika amin’ny mpitondra hatrany satria, izy ireo no ray aman-dreny ka tokony mba hijery ny fahorian’ny vahoaka. Araka izany tokony mba misy foto- drafitrasa mazava momba ny fitsaboana. Ohatra mba misy fanafody ao tombim- pahasalamana na dia vidina vola aza satria hoe: « ny vola fitady fa ny aina tsy ananam-piry. »

128

3.3.4. Ny fandriampahalemana

Faritra mena amin’ny asan-dahalo ny distrikan’ny Tsaratanàna. Koa tsy misy fahombiazana hafa hita manerana ny Nosy raha ny momba izany afa-tsy ny dinam- pokonolona sy ny fandraisan’ny fanjakana ny andraikiny ihany koa. Izany indrindra no azonay aroso etoana. Fampirisihina ny mponina sy ny mpitondra ao amin’ny distrika mba hanorina dina hifampifehezan’ny rehetra mba hanafoana ny halatr’omby, ny vono olona. Tahaka ny fanaon’ny mponina any amin’ny faritr’i Melaky ohatra misy ny dinan’i Foara 176 izay nisy vokatra tsara azo. Mihamihena ny halatr’omby. Mandry fahalemana ny vahoaka. Izany dia anisan’ny loharanon’ny fandrosoana. Koa ny tsirairay no tokony ho tompon’andraikitra sy hahatsapa ny tombontsoa azo avy amin’izany.

Fehin’ny fizarana fahatelo

Hita tao amin’ity fizarana fahatelo farany ity àry fa nisy toko telo lehibe noresahina tato. Tao amin’ny toko voalohany dia nanehoana ny maha zava-dehibe ny fahan-jafy eo amin’ny lafim-piainana manontolo, eo amin’ny fiarahamonina. Nasongadina tao anatin’izany ny teo amin’ny lafiny finoana, izay hery manentana ny olona ao anaty ka mahatonga azy hanaja sy handala ny aina. Fantatra nandritra ny fanazavana fa olona mino an’Andriamanitra ny Marofotsy ka mametraka azy ho lohalaharana eo amin’ny fiainany. Taratra izany, tamin’ireo tonom-bavaka fanao amin’ny joro maro isan-karazany any an-toerana fa indrindra moa tamin’ity riba momba ny fahan-jafy ity. Naseho manaraka izany, ny fiheverany momba ny razana sy ireo zava-masina maro isan-karazany izay inoan’ny mponina any an-toerana. Nohadihadiana ihany koa tato amin’ity toko ity ny mahasarobidy ny firaisan- kinan’ny mponina sy ny mpianakavy izay soatovina maha malagasy, izay efa toa miha tsy hita soritra firy intsony ankehitriny koa ny lanonana tahaka itony dia mamohafoha sy mamelombelona azy indray. Hita moa fa anisan’ny manentana ny olona hihary ny fanatontosana fomban-drazana na dia misy manararaotra azy amin’ny endrika hafa aza izany ankehitriny.

176 RAPIHARITIANA (D), Ny anjara toeran’ny dina eo amin’ny fandrimpahalemana ny dinan’ny “Melaky tsy mimpoly”, ao amin’ny distrikan’Ambatomainty, faritra Melaky, CAPEN, Mai 2014

129

Ny fanazavana nentina tao amin’ireo zana-kevitra voalaza ireo dia ahitana hatrany eny anelanelany eny ny endrika sy ny fiovana eo amin’ny fiainam- piarahamonina amin’izao vanim-potoana iainana izao.

Tao amin’ny toko faharoa kosa no niezahana nanehoana ireo olana misy any an-toerana. Hita àry tao anatin’izany fa ny fomba fijery ny ankapoben-javatra no tena navoitra ary izay momba sy manodidina ny fahan-jafy ihany. Nasongadina tao ny fambolena sy ny fiompiana. Loharanon-karena any an-toerana ireo nefa tsy voakarakara araka ny tokony ho izy, na eo amin’ny ara-tekinika izany na eo amin’ny lafiny fitsaboana sy ny fikarakarana fa mbola manjaka mandrakariva ny tetika nentin-drazana. Naseho tao koa fa miatrika olana goavana ny fiainam-piarahamonina ankehitriny. Miaina ao anatin’ny fahantrana ny vahoaka, feno tebiteby lava vokatry ny asan-dahalo.Tsapa koa fa nihena ny vokatra miakatra nefa lanja miakatra hatrany ny vidin’entana. Nambara tao ihany koa fa manana ny fomba fihetsiny ny olona manoloana ny fomban-drazana: Maro ireo olona efa tsy mahalala firy intsony ny dikan’ny fomban-drazana sasantsasany koa anisany sakana lehibe tsy hanaovany azy izany. Mandalo fotoan-tsarotra amin’ny lafim-piainana rehetra ny fiainam-bahoaka ankapobeny ankehitriny.

Ny toko fahatelo kosa dia nanolorana soso-kevitra izay hita fa mifanentana amin’ny filan’ny vahoaka any an-toerana. Natao lohalaharana tamin’izany ny resaka finoana izay hita fa mety sy mifanaraka amin’ny toe-tsain’ny mponina ny« inculturation ». na fakana volotany. Mahasarika ny olona ny fanajana ny finoana izay efa nisy tao aminy. Anisan’ny laharam-pahamehana any ihany koa ny fanabeazana. Efa nandray ny anjarany ny fokonolona tamin’ny fanorenana ny trano sy ny fanohanana ny mpampianatra. Heverinay àry fa tokony hanohana sy hanefa ny manandrify azy koa ny fanjakana izay heverina fa ray amam-dreny ka tsy manavaka ny maha mpiray tanindrazana aminy. Fantatra koa moa fa ny fandriampahalemana no loharano antoky ny fandrosoana sady mampahateza ny aina. Tsara raha ajoro ho marim-pototra any amin’ny faritra ny dinam-pokonolona fa tsy hiantehitra amin’ny mpitandro filaminana. Izay efa hita fa mahomby tokoa manerana ny faritra maro eto Madagasikara, ary ohatra azo tahafina amin’izany ny dinan’ny “Melaky tsy mimpoly”.

130

TENY FAMARANANA

131

Eto am-pamaranana dia tianay ny mamerina ny tenin’i Emilson Daniel ANDRIAMALALA 177hoe: “Tsy misy firenena afaka hivelona tsy manan-javatra hajaina sy atahorana.” Manambara izany fa manana ny maha izy azy ny firenena malagasy. Manana kolontsaina maro tena mampiavaka azy. Manana ny soatoavina indrindra ny finoana an’Andriamanitra Andriananahary sy ny Razana, ny fanajana ny aina maha olona…Asehony eo amin’ny fihetsika sy ny fiainany izany. Zava-dehibe ho an’ny Malagasy mantsy izany aina izany. Hatrany am-bohoka dia efa misy ny fikarakarana izany ary ifarimbonan’ny mpianakavy ny manala ratsina ny mpitondra voka. Mitohy hatrany izany rehefa teraka ilay olona. Izany no naseho tamin’ ireo fomba amam-panao maro isan-karazany toy ny ala-volon-jaza, ny fora zaza… Mbola misy amin’ireny fomba ireny no tsy lefin’ny vanim-potoana eo amin’ny fiainan’ny Malagasy. Ireo fomba ireo dia mifototra hatrany amin’ny finoana ny fitantanan’Andriamanitra Andriananahary sy ny Razana. Manamafy izany ny voalazan’i DUBOIS hoe: “Ny Zanahary no nanome ny aina, ny razana nitsodrano azy ireo mba ho afaka hamindra io aina io amin’ny taranany.” 178Raikitra ao am- parahatoky ny Malagasy maro anisa izany. Koa izay no antony mahatonga azy hanao fomba amam-panao. Anisan’ny sehatra ahatarafana izany ny “fahan-jafy” izay noresahinay teto amin’ity asa fikarohana ity.

Ny tanjona tamin’ity asa fikarohana ity moa dia ny hampahafantatra amin’ny Malagasy mpiray tanindrazana fa misy ny foko Marofotsy. Manana ny fomban- drazany izy izay mampiavaka azy amin’ny foko hafa manerana ny Nosy. Fomba amam-panao maneho ny kolontsaina maha malagasy: ny firaisan-kina sy ny fiombonana, ny fanajana ny rafitra antanatohatra misy eo amin’ny fiarahamonina, ny fandalana ny aina, ny fitodihana amin’ny Zanahary tompon’ny aina.

Natao izao asa izao tsy hoe fitantarana fotsiny akory fa nisy fenitra narahina tamin’ny fanatontosana azy.

177 ANDRIAMALALA (ED), Ny fanagasiana, Natonta fanintelony, Antananarivo, 1991, p.46 178 DUBOIS Robert,op cit, p.96

132

Napetraka amin’ny sehatra goavana iray ny asa dia ny momba ny antrôpôlôjia sôsialy ao amin’ny sampana antrôpôlôjia mandalina momba ny finoana sy ny fivavahana nentin-drazana. Ny haitsikera araka anjara asa sy antrôpôlôjia baikon’ny hetsika no nanatontosana ny asa fikarohana.

Misy fizarana telo lehibe araka izany ity asanay ity, koa izao manaraka izao ny ambangovangony:

Ny fizarana voalohany dia misy toko maromaro koa naseho tao ny fampahafantarana ny toerana nanaovana ny fikarohana. Nanomboka avy any amin’ny faritra izany ka hatramin’ny fokontanin’Ambodivoara izay nosinganina manokana. Tao ihany koa no niresahana momba ny tantaran’ny foko Marofotsy, ka nambara tao ny loharano nipoirany sy fivoarany ary ny olana misy any aminy. Mazava moa fa mibahan-toerana ao amin’ity fizarana ity ny zava-misy iainan’ny mponina ao Ambodivoara.

Nambara tao amin’ny fizarana faharoa ny momba ny lalana rehetra nizorana nanatontosana ny joro fahan-jafy. Noresahana tamin’izany ny lafiny tantara, ny antony nanaovana azy sy tanjona kendrena aminy. Nibahana tao ihany koa ny fizotry ny lanonana izay nizara telo lehibe izany: tao ny dingana fanomanana, ny fanatanterahana ary ny famaranana. Manampy izany moa dia nolazaina tao koa fa mivoatra ny fomba fahan-jafy. Tao amin’ny famaranana ity fizarana ity dia nisy fampitahana natao momba ity fomba ity sy ny “fafy zaza” any amin’ny Antemoro.

Ny farany dia ny fizarana fahatelo, nisy toko telo lehibe niavaka ity fizarana ity. Ny voalohany dia nasongadinana ny lanjan’ny fahan-jafy. Naseho tao anatin’izany ny anjara toeran’ny fahan-jafy eo amin’ny fiarahamonina. Mivelatra amin’ny lafim-piainana rehetra izany: ny finoana amam-pivavahana, izy dia mampitodika ny olona amin’Andriamanitra sy ny Razana izay loharanon’ny aina. Eo amin’ ny fahaiza-miaina indray, mamelona ny fifankatiavana sy ny firaisan-kina eo anivon’ny ankohonana sy ny mpiara-belona. Eo amin’ny fanabeazana dia mampianatra ny olona hiaro ny aina sy hahay handray adidy. Ny toko faharoa kosa dia nanehoana fa misedra olana ihany koa ity fomba ity. Nabaribary tao fa anisany olana goavana ny resaka fahasarotam-piainana. Mahantra ny olona tsy ampy ny enti- manana. Tsy mahavita manao fomban-drazana intsony. Manampy izany, ny fomba

133 amam-panao rehetra maro ankehitriny dia miatrika ny fanatontoloana. Ny toko fahatelo izay mamarana ny fizarana kosa no nitondrana tolo-kevitra vitsivitsy mifandraika amin’izay tena ilain’ny mponina any an-toerana. Noresahina tamin’izany fa tokony hatao vain-dohan-draharaha ny fanabeazana ny olona. Anisany antoka mampivoatra ny fiainan’ny olona iray ny fahazoany fahalalana ampy hoentiny miatrika ny fiainany. Koa ny fanabeazana dia amin’ny lafiny rehetra na eo amin’ny ara-tsaina sy ny ara-batana. Ny fanabeazana ihany koa dia mandeha ara- tsokajy: ny mpitondra fivavahana, ny mpitondra fanjakana, ny ray aman-dreny, ny tanora, ny ankizy.

134

TAHIRIN-KEVITRA

135

1. BOKY SY TAHIRIN-KEVITRA HAFA

Mpanoratra Momba ny boky

ANDRIAMANGATIANA, Sarobabay, Editions Faribolana Antananarivo

Iharilanto Patrick 2007

ANDRIAMALALA Emilson Ny fanagasiana, Natonta fanintelony, (D) Antananarivo, 59p

1991

ANDRY ANDRAINA Mitaraina ny tany, Librairie Mixte, Antananarivo,

2009 218p

BOTANA, Antonio Itinéraire de L’Educateur, Editions, Instituto

2004 Salesiano PioX- Roma, 53p

BENOLO, François Sambatra aho fa kristianina Edisiôna Md Paoly

2001 Antananarivo. 89p.

BERTHIER Hugues Les mœurs et coutumes du people malgache

1933 Editions Tananarive. 177p.

CALLET Tantara ny Andriana eto Madagasikara

1908 Tananarive, Imprimerie Officielle, 1234p.

COUSIN Fomba Malagasy, Trano printy Imarivolanitra,

1963 Tananarive. 201p.

DECARY, Raymond Les mœurs et coutumes Marofotsy, Imprimerie

1948 Moderne de l’Emyrne Tananarive, 13p.

1951 Mœurs et Coutumes des Malgaches, Editions Payot, Paris, 248p

DUBOIS, Henri Monographie du Betsileo, Editions Paris, Institut

1938 d’Ethnologie, Musée de l’Homme, 1510p.

136

DUBOIS, Robert Olombelona essai sur l’existence personnelle, et

1978 collective à Madagascar, Editions l’Harmattan, 157p

DAHLE, Lars Anganon’ny Ntaolo, Trano printy Loterana. 296p.

1971

ESTRADE, Jean –Marie Un culte de possession à Madagascar, Editions

1985 l’Harmattan.394p.

EVANS- PRITCHARD (E) Anthropologie sociale, Payot Paris, 174p.

1947

MIRCEA, Eliade Image et Symbole, Essais sur le symbolisme

1952 magico-religieux, Editions Paris Gallimard, 238P

MIRCEA, Eliade Le sacré et le profane, Editions Gallimard, 190p.

1975

GUEUNIER(N), et Raki-pandinihina, Etudes de linguistique, RAHARINJANAHARY(S) d’anthropologie et de littérature malgaches offerts

1998 au Professeur Siméon Rajaona, Imprimerie St Paul Fianarantsoa, 522p

GIULIO, Cipollone Christianisme et droits de l’homme à Madagascar,

2008 Editions Karthala, 346p.

GIRAUD PIERRE Les roches de la region d’Andriamena à

1958 Madagascar, Et leur minéralisation chromifère. Thèse de doctorat, Université de Clérmont, Science, 95p.

Henri de LAULANIE Le riz à Madagascar, Editions Ambozontany et

2003 Karthala, 288p.

137

JAOVELO-DJAO, Robert Mythes, rites et transes à Madagascar,

2005 Ambozontany, Analamahitsy, 391p.

LAPLANTINE, François L’Anthropologie, Editions Seghers, Paris, 258p.

1987

LAHADY, Pascal Le culte betsimisaraka et son système, Librairie

1979 Ambozontany, Fianarantsoa, 279p.

ELLI, Luigi Une civilisation du bœuf, les Bara de Madagascar,

1993 Difficulté et perspectives d’une évangélisation, Editions, Ambozontany, Fianarantsoa, 223p.

LERY, François Madagascar, Les sortilèges de l’Ile Rouge, Editions

2002 l’Harmattan, 312p

POIRER Civilisation malgache, Tome II, Cujas, Paris, 403p.

1968

PIETRO LUPO Dieu dans la tradition malgache, Editions Ambozontany et Karthala, 189p. 2006

RAHARIJAONA “Ny fandroana” in Hiratra n°2, Université de

1980 Madagascar, Département de langue, Littérature et civilization malgache, 172p.

RAHARIJAONA “Ny fandroana” in Hiratra n°3, Université de

1981 Madagascar, Département de langue, Littérature et civilization malgache, 244p.

RAHAJARIZAFY, Antoine Hanitra nentin-dRazana, Editions Ambozontany

1975 Fianarantsoa, 88p.

2007 Filôzôfia Malagasy, Editions Ambozontany, Analamahitsy, 155p.

138

RAKOTOMALALA(M), Usages sociaux du religieux sur les Hautes Terres

BLANCHY(S), Malgaches. Les ancêtres au quotidiens. Editions l’Harmattan.529p. RAISON-JOURDE (F),

1998

RAMAROSON, Benjamin Sady voatokana no Malagasy, Edisiôna Md Paoly,

2000 64p.

RAZAFINTSALAMA, Famotopotorana fomban-drazana, Ny fiaraha- Adolphe monina Ntaolo, Editions Antananarivo.93+14p.

1795

RAZAFINTSALAMA, Tari-dalana hoenti-manadihady, Ny finoana sy ny Adolphe fomba Malagasy, Edisiôna Md Paoly,

2004 Antananarivo, 147p

RAKOTOMAMONJY, Jean Anthropologie de la religion, cours du premier (D) semetre

2012

RIVIERE, Claude Socio-anthropologie des religions, Editions

1997 Armand Colin, Paris, 190p.

RANDRIAMAMONJY Tantaran’i Madagasikara 1895-2002, Trano Printy

2006 Fiangonana Loterana Malagasy, 503p.

RANDRIANJA, Solofo Madagascar : Ethnies et ethnicité, Editions Dakar, 316p 2004

RASOANASY, Jeanne Ny lasan’i Madagasikara, Menalamba sy

1976 Tanindrazana, Trano printy Loterana, 316p.

139

RAPIHARITIANA Dannick Ny anjara toeran’ny dina eo amin’ny

2014 fandrimpahalemana ny dinan’ny “Melaky tsy mimpoly”, ao amin’ny distrikan’Ambatomainty,

faritra Melaky, CAPEN, Antananarivo, 160p.

RAHARIMALALA Ny Sambatra eo amin’ny Antambahoaka, mémoire

2001 de CAPEN, Antananarivo, 119p.

SYLVIE, Brunel L’Afrique est-elle si bien partie, Editions Sciences

2014 Humaines, 192p

VAN GENNEP Les rites de passages. Etude systématiques des

1909 rites, Editions Emile Nourry, 288p.

VIG, Lars Ny fireham-pinoan’ny Ntaolo Malagasy, Les

2001 conceptions religieuses des anciens Malgaches, Editions Ambozontany Analamahitsy, 191p.

TONGASOLO, Patrice, Fomban-drazana Tsimihety, Editions Ambozontany

1997 Fianarantsoa, 383p.

VAOMIERAN’NY EVEKA Herinandro Masina, Editions Ambozontany, MOMBA NY FANOMPOAM- Antananarivo, 163p.

PIVAVAHANA 1990

FIVONDRONAMBEN’NY Katesizin’ny fiangonana Katôlika, Edition EVEKA ETO Imprimerie NIAG8, lalana Rainizanabololona, MADAGASIKARA Antanimena, Antananarivo, Madagasikara, 979p.

2009

140

RAKIBOLANA

ALBINAL et MALZAC Dictionaries Malgache-Français, Editions

2000 Ambozontany, Antananarivo, 876p.

AKADEMIA MALAGASY RAKIBOLANA RAKIPAHALALANA, Editions MISAHANA NY HAIKANTO Antananarivo, 1157p.

SY NY HAISORATRA ARY HAIRAHA

2005

PIERRE Boiteau, Marthe Dictionnaires des noms malgaches de végétaux, Boiteau, Lucile Allorge- Editions Alzieu, 1990p. Boiteau

1999

RAJEMISA- RAOLISON (R) Rakibolana malagasy, Editions Fianarantsoa.1061p

1995

RETSIHISATSE et MANOA Rakibolana ho an’ny ankizy, Miampy et VELO Rakipahalalana, Editions Idac&Zébu

2010 Francophone.695p

RAVELOJAONA Firaketana ny fiteny sy ny zavatra malagasy,

1960 Imprimerie Tananarivienne, 1973p.

Ministère de l’Agriculture, de Direction du marketing et des études économiques, l’Elevage et de la pêche service de la statistique agricole

141

4. GAZETY

Midi Madagasikara laharana faha 9493, talata 11 novambra 2014, tak. 17

Gazetiko Laharana 4989, sabotsy faha 04 ôktôbra, 2014, tak.4

Gazety Lakroan’i taona faha87, laharana faha 3891, alahady 26 Madagasikara okitobra 2014, p.14

Taona faha-87, Laharana faha 3894, Alahady 16 novambra 2014, p.9

Gazety Jejoo mardi 04Mars 2014 N° 1564, p.6

Gazety Ao Raha Laharana 2752, alakamisy 23 Oktobra 2014, p.1

5.TRANOKALAM-PIFANDRAISANA

http://fr.wikipedia.org:wiki/Betsiboka_%28r%C3%A9gio%29 Google earth, 14aout 2014 à 10h du matin http://www.entfernungsrechner.net/fr/distance/city/1070940/city/1055059 http://jeuneagrimadagascar.org/?p=231http://asl.unvmontp3.fr/masterRECHERCHE/ M1/n.auger/pesce_rites et autorisation.pdf http://www.01numerologie.com/signification-et-symbolisme-du-chiffre-3-439, http://esotcelt.unblog.fr/symbolisme-et-chiffre-le-trois/19/10/14, http://www.historiacultural.com/2010/09/civilizacion-cultura-azteca-mexica.html http://users.skynet.be/lotus/lotus/lotus0-fr.htm

142

vii

LES MAROFOTSY

QUI SONT CES MAROFOTSY?

Qui ont pris part par centaines, voire par milliers, à la guerre de rébellion contre l’occupation Française, de 1895-1897, entraînés par un Chef respecté de tous, RABEZAVANA, symbole du nationalisme malgache intègre ?

Quelle est l’origine des MAROFOTSY? Sont-ils des Merina? des Sihanaka ? des Sakalava ? L’histoire nous apporte des éléments de réponse.

Où se sont-ils implantés? Quel est leur territoire?

Au siècle dernier, les Marofotsy occupaient la région de TSARATANANA : au nord, jusqu ‘au village de MAROADABO ; au sud, avec les villages d’Andriamena, Antsatrana, Manakana Vohimbohitra, Morafeno, Marotsipoy, Ambohitrimarofotsy ; à l’ouest, les terres entre la BETSIBOKA et la MAHAJAMBA ; à l’est, les terre de la rive droite de la Mahajamba et le Tampoketsa descendant vers Andilamena et Ambatondrazaka.

Cette région très accidentée, un peu boisée et quasi désertique, correspond à ce qui fut autrefois le district, puis la Sous-prefeture de TSARATANANA, soit environ 13.500km². A l’est des deux grands centres Tsaratanàna -Andriamena, se dresse une ligne NORD - SUD de Tampoketsa, hauts-plateaux, dont certains sommets dépassent l’altitude de 2.000m, et un être comparé à « une mer en furie dont les vagues gigantesques se seraient soudain figées au moment le plus tourmenté de la tempête »

La région de TSARATANANA était inhabitée au milieu du XVIIIème siècle. ANDRIAMANDISOARIVO, premier Roi du Sakalava, de 1690-1720, est considéré par la Tradition comme le père des Marofotsy et des MAROTSIRATSY. En 1762, le Caporal LABIGORNE, militaire au service de la Compagnie des Indes et conseiller de Princesse betsimisaraka BETY, entreprit depuis la Côte Est, une expédition contre les Sihanaka turbulents, en direction du lac Alaotra. Ne pouvant résister, quelques esclaves Sihanaka allèrent se réfugier vers l’ouest, sur la rive droite

viii de Mahajamba, et commencèrent le peuplement, se pensant à l’abri des envahisseurs. Un peu plus tard, sous le règne d’ANDRIANAMPONIMERINA, qui règne de 1787- 1820, les MANENDY, descendants des VAZIMBA, assez purs, originaires du VALALAFOTSY, au sud-ouest d’Ankazobe, vinrent s’installer chez les Sihanaka, pour agrandir le royaume d’ANDRIANAMPOINIMERINA, auquel ils s’étaient soumis. Les Sihanaka les considèrent comme des intrus, refusèrent de se soumettre et reprirent la route de l’ouest, venant grossir les premiers esclaves fugitifs. Ils renforcèrent le peuplement du nord-ouest.

Plusieurs explications s’affrontent pour justifier le nom de MAROFOTSY. Une première, flatteuse, assure que beaucoup tirent sur le « blanc » parmi la population Marofotsy, d’où maro-fotsy: beaucoup de « blanc ».

La deuxième, viendrait de la réponse faite par RADAMA I à un messager qui avait enquêté au nom du Roi dans cette région qui refusait de se soumettre: « Qu’on les laisse tranquille! Maro fotsiny izy ireo: ils ne sont que nombreux, mais ils ne font pas peur ».

Entre les anciens Manendy de l’Imerina, les Sakalava du bas Boina, et les Sihanaka, des métissages sans nombre eurent lieu, mais il n’en demeura pas mois que le fond initial doit être considéré comme d’origine merina.

Après la conquête de RADAMA I, les Marofotsy fondèrent plusieurs villages. On confia aux Marofotsy la garde des troupeaux. Ces troupeaux étaient constitués de milliers de bêtes, repartis dans les pâturages des Hauts Plateaux qui culminent à l’est de Tsaratanàana et Andriamena.

La population Marofotsy, ayant obtenu la stabilité, et désormais soumise au pouvoir royal, ne cessa d’augmenter en nombre. De nouveaux centres furent créés à Ampandrana, à Bevoay, Vohibato dans le Tampoketsa, sur des voies de passage obligé pour joindre le lac Alaotra. Quelques postes fortifiés furent construits, en vue de défendre la région contre les incursions Sakalava. Le premier fut placé sous RADAMA I à Ambodiamontana pour déféndre les habitants contre les expéditions Sakalava, qui passaient la Betsiboka. A l’arrivée des Français en 1895, les sujets de la Reine établie dans la région de Tsaratanàna et les gardiens de ses bœufs se révoltèrent et retirent les troupeaux pour eux.

ix

Quand RABEZAVANA recruta des partisans MENALAMBA pour lutter contre les Français, et qu’il fallut nourrir des milliers de personne, le Chef Marofotsy jugea bon de s’approprier les bouefs des « grands HOVA », accusés d’avoir vendu le pays aux Vazaha.

Comme autrefois, les Marofotsy sont non seulement des éleveurs de bœufs et de riziculteurs spécialistes du riz de montagne, mais aussi des orpailleurs et des exploitants de pierres précieuses.

Restés attachés aux coutumes traditionnelles, ils ont, encore maintenant, la visite de quelque roitelet Sakalava, entre autres celui d’Ambato-Boeni, et respectent les « fady » concernant les montagnes sacrées, au nombre d’une dizaine.

SITUATION RELIGIEUSE

Le pays Marofotsy passe pour rester un fief protestant. On estime à 6.000 les Protestants, à 3.000 les Catholiques, et à 1.000 les païens. C’est la L.M.S qui a en charge cette contrée. Tous les Pasteurs et Evangélistes sont Malgaches. Un Pasteur vazaha fait une tournée tous les 2 ou 3 ans. En dépit de leur nombre, les Protestants ne manifestent pas une sérieuse activité. La plupart conservent leur religion plus par tradition que par conviction.

En regard, les Catholiques gagnent peu à peu du terrain. Mais ils restent néanmoins imprégnés de mentalité protestante, une même famille se composant, de membres appartenant aux deux religions. Dans la brousse, les adultes émigrent facilement d’une religion à l’autre sous le moindre prétexte, dispute avec le Catéchiste, avantage matériel, exemption de corvée, ect.

Les vraies conversions d’adultes sont assez rares. Il semble pourtant qu’à la mort du vieux Randriamahaleo, il sera possible d’attirer chez nous bien des gens ne restent actuellement protestants que par respect ou par crainte du vieux Chef.

P. Roland BARQ, Mahajanga, décembre 1993

x

NY FOMBA FANOMPOANA AO ANALAVORY

(ao kaominina Betrandraka)

Tao Analavory no toerana nivavahan’ny olona taty amin’ny tapany avaratra amin’ny faritanin’ny Marofotsy. Vakin’i Bedala ny mianavaratra ka hatraty Betrandraka dia tao amin’ny doanin’Analavory no nataony ny fivavahana. Io toerana io dia ala mitokana ao amin’ny Tampoketsa andrefana; ka eo ambony andrefan’Ambodiketsa no misy azy io. Faritanin’Andriamena. Analavory dia doanin- dRafotsibe RONOMANANA mpanjaka Zafinifotsy. Mizara roa ny fanompoan’ny Marofotsy ao: ny atsimo dia hazo mososa izay avobe indrindra amin’ny hazo rehetra. Ny avaratra doany ary ny andrefana avaratra IKOTOFOTSY. Ka rehefa hanompo ao dia aty ivelan’ny zomba no manandria sady manao kôzy no mananty tanan-droa.

Rehefa hiditra ny zomba dia apetraka aty ivelany daholo ny lamba sampona. Koa ny fidirana voalohany dia eo amin’ilay hazo atao hoe: mososa; ao no fanaterana ny vola indroa valo; izany hoe enina ambiny folo ariary, lela-vola vy farantsa; alatsaka ao anatin’ny holo-kazo lalina ny vola. Rehefa manompo azy dia hiraketsa no hiraina. Ny lamba mahazo miditra ao dia lamba fotsy ary lamba kanika. Ka ny fomba fanao ireo lamba ireo dia atao bemievo. Ny tovolahy dia manao domandry lamba somizo faha efatra refy no fahatelo ka atao tavonin’omby ary eo amin’ny fehy havanana asiana famoaha-mandry ka afatotra amin’ilay tavonin’omby. Ny vehivavy dia manao randram-bolo korondro, voatsitonga, randran-kodidina, lafitrak’andro, manantirano. Ny fanamiana entin’ny vehivavy dia akanjo sy lamba fitafy, dia miravaka kavina volafotsy sy manao sampilahy rojorojo volafotsy ary koa manao vangovango volafotsy. Ny lehilahy mandoaka sofina havanana asiana sogaoma volafotsy ary ny tsy manana sogaoma volafotsy dia hazo lopingo no atao. Rehefa vita ny fanompoana dia eo amin’ny doanin- dRafotsibe RONOMANANA no manompo ka ny atao eo dia manangana emboka ary mijoro. Hiran-tSakalava no hiraina eo. Ary rehefa mamono aomby dia eo amin’IKOTOFOTSY no apetraka ny lohany. Raha misy olona mivoady dia eo amin’IKOTOFOTSY ka raha tsotsoraka soa aman-tsara ny voady dia eo aminy no hanatanterahana ny zavatra aterina hanalana voady tahaka ny vono aomby. Ny zavatra fady ao amin’ny doanin’Analavory dia ny lamba sampona, ny saboa, ny basy, ny gebageba.

xi

Ny omby famono rehefa manao fanompoana ao amin’ny doanin’Analavory dia ireto: ny omby fangoro mainty mitahampara, ny omby fotsy loha mainty jiba tongotra, jiba tanana, ary koa aomby fotsy loha mainty fehikira sy omby fotsiloha mainty fangoro. Maharitra herinandro ny fanompoana ao isak’Alakaosy, isan-taona, ary isan-taona koa maharitra iray volana isaky ny Alahamady. Rehefa voarasa ny aomby entina vonoina eny dia angalana karazan-kena toy: ny trafony, ny manangany, ny tratrany, ny mananetiny, ny atiny, ny tsinainy, ny rambony andidiana sombiny kely ireo karazan-kena ireo dia arotsaka ao anaty afo ho may sy ho levona toy ny mandoro fanatitra. Rehefa afaka ny hena natao fanatitra, ny hena sisa rehetra zaraina amin’ny olona tonga manompo atao laoka. Isam-pianakaviana dia samy mitondra fitaovana momba ny sakafo: vilany, sotro, vilia, vary fotsy ary ny vary fotsy dia atao ampy tsara mandritra ny faharetan’ny fanompoana. Misy an’arivony ny olona tonga manompo ao amin’ny doanin’Analavory. Fanantenana sy finoana hahazo fahasoavana be sy fanambinana no antony hivavahana ao.

ZAVATRA TSARA HO FANTATRA

Tamin’ny andro fahizay dia ny LMS no nitondra ny fivavahana kristiana sy ny fampianarana taty amin’ny tanin’ny Marofotsy. Ka rehefa tonga ny krismasy dia eny an-tampon-tendrombohitra no mivory ny mpivavaka manao fotoam-pivavahana. Amin’izany fotoana izany dia mamono omby sy manao sakafo be. Ka ny evanjelisitra tamin’izany dia RAZAFINDRALAMBO ary ny mpampianatra RANDRIANANTOANINA. Tao Antsatrana no nipetrahan’ny Evanjelisistra sy ny mpampianatra. Betsaka ny mpivavaka tamin’izany satria rehefa ny Mpanjaka no tia fivavahana dia manaraka an’izany avokoa ny vahoaka. Nisy didy aza nalefa amin’ny mpifehy vahoaka hampivavaka azy sady nandefasana Evanjelisitra.

Mpanoratra: RAKOTOARIMANGA André Mpitantara: RADAMANGA Mpitandrina, Ambatomitsangana- KELILOHA. Tahirin-kevitra tao amin- dRALAZAMAHALEO Cabinet Vétérinaire MAROFOTSY, ANDRIAMENA

xii

SANTIONANA JORO FAHAN-JAFY

(Vehivavy no mpanao azy)

O!O!O!!!! Ary miantso e, miantso anareo andriamanitra moa fa ianareo no nahary tongotra aman-tanana. Voakaika izany dia antsoina ny hasinareo Zanahary.

Vita izany dia antsoina ny faritany antsinana, ny faritany avaratra, ny faritany atsimo ary ny faritany andrefana. Vita izany antsoina kosa ny tendrombohitra roa ambin’ny folo, ny vazan-tany efatra ny avy amin’izany, antsoina ny avy amin’izany ny tampon’Androfia i Kiraovankely sy i Kiraovambe, ny tampon’i Keliloha, tampon’Antsohihy sy an’ Andranohovy, ny ao Andranganala, Andranoila. Antsoina izany avia hanatrika avia anolona. Vita izany antsoina ihany koa ny hasin’ity tany ity, avia hanatrika, avia hanoloana. Izy ity moa dia tsy mivala bozaka fa mivala zava- masina, ao ianao Dadilahy Andriamanarakanaka fa ianao no nitoto nahafotsy sy nahandro nahamasaka, vy nahita sy angady nahazoana ity tany ity.

Voakaiky izany dia antsoina koa ianao Dadilahy Andrianony ianao no nanilika tain-Dambo teto amin’ity tany ity koa miantso anao izahay amin’ny mason’andro androany. Antsoina koa ny vavaranon’ i Tsimalahy, satria ianao no nisehefana mahamanina nisotroana nahavoky koa tsy maintsy antsoina ianao avia hanatrika avia manoloana, misy ny antony ka tsy maintsy miantso anao izahay satria ianao no nanasoa ny kely nanabôtibôty ny lehibe. Voakaika izany dia antsoina koa ireo vazimba ray vazimba reny, antsoina kosa ny avy amin’izany ny hasin’ireo zava- manankasina, izay mipetraka amin’itony faritra itony na an-tampon-tanety na an- tampon-kavoana na amin’ny sopirapirana na ambony vatolampy na amin’ny petsapetsa na anaty dodorano, ampandrenesina daholo amin’ny mason’andro androany, lazao ny madinika e, trotroy ny kely, tohino ny marenina, ary tantano ny jamba. Miantso zahay amin’ny mason’andro androany satria misy ny antony ka tsy maintsy midinika. Izany dinika izany anefa, tsy dinidinika foana fa misy ny antony matoa mikaiky, matoa miantso fa mampandre anareo e ! Voakaika izany dia miantso anareo Kalanoro, Zazavavindrano, antsoina izany amin’ny mason’andro androany e ! Voakaika izany dia antsoina ny hasinareo zava-manankasina: Ao ny avy amin’izany ny tampoketsan’i Menazombo, ao no misy ny doany masina roa ambin’ny folo, misy an’ Ingahibe Andriamifehy, antsoina hanatrika antsoina hanoloana, Antsoina koa ny

xiii hasina avy amin’ny doanin’ i Mahajanga, ao ny misy ny avy amin’izany Andriamisara efadahy, Soalampy, Tsilaninarivo, Zaman’i Hasy, Andriamorarivo, Andriamitetiarivo, Andrianaverinarivo sy ny sisa tsy voatanisa sy tsy voatonina aoka mba tsy hanome tsiny. Antsoina koa ny avy amin’izany, ny doan’ Ambarambintsy doan’ny Sakalava izany, antsoina ny hasina avy amin’izany ny faritra Betsioka, ny faritra Madirovalo, ny faritra Ambodisakoana, ary ny ao Ambalavato, antsoina izany avia hanatrika avia hanoloana, Antsoina koa ny avy amin’izany, ny faritra tampoketsan’ Analavory ao ny misy an’izany Mososa ray Mososa reny indrindra ny avy amin’izany rafotsibe Ravola, i Lemaditra, i Lehibesaboa, i Kotofotsy, i Mbaraka, antsoina izany avia hanatrika, avia hanoloana.

Vita izany, antsoina ny avy amin’izany ny ao amin’ny faritra atsimo misy an’ Andriapatamena inona moa izany fa ireo vazimba ray vazimba reny, antsoina ny hasinareo kakazo e, ao ny misy an’izany atao hoe : « Vahotra » mampandre anareo amin’ny mason’andro androany e, fa misy ny antony matoa midinika matoa mitafa fa tonga eto i (tononina ny anaran’ny tompon-jamà) hanao fahan-jafy e, koa tsy maintsy mangata-dalana, tsy maintsy miresaka aminareo zava-masina , tsy maintsy midinika aminareo, fa zava-dehibe izany e; koa mila ny fanampianareo sy ny tso-drano avy aminareo fa izaho ity moa dia kely sy bitika tsy tokony hiantso anareo, sy tsy mahalala izay tokony hatao koa. Fantatrareo anefa izany e, koa dia izany no dinika e ireo izy ireo e, koa ny joro hataonay eto kosa dia aloka maina andro ka ny iva tratrany ny avo ho tratrany. Koa hahasoa hahatsara Andriamaintra Andriananahary.

RAMATOA Odette dit Bota, Ambodivoara, 14 Mai 2014

xiv

KARAZANA JORO HAFA

JORO KIJANA

O !o !o!!! Ary izany antso izany, tsy antsoantso foana fa matoa miantso misy ny antony e, zany antso izany dia zava-dehibe, mampandre anareo tompon’ity tany eto ity, fa izahay eto ity dia tonga e, hanao fihavanana, hanao fati-dra tsara, hanao izay fandaminana, koa tonga eto izahay mianakavy kely, mijoro mangatam- pihavanana, mangatam-pitahiana. Koa izany ny antony iantsoana e, antony ikehana e!

Ao ianareo Andriamanitra, ianareo no nahary tongotra aman-tanana, voakiaka izany dia antsoina koa ny hasinareo zava-masina, indrindra ny avy amin’izany ny hasin’ny faritany atsinana, ny faritany avaratra, ny faritany atsimo, ny tendrombohitra roambin’ny folo sy vazan-tany efatra, vita izany antsoina ny hasin’ity tany ity, satria tsy mivala bozaka fa mivala zava-masina ny avy amin’izany, ny faritr’ Analamongy, ato ianao Analamongy ity tany dia voavidin’ny volanay, koa tsy maintsy midinika aminao izahay satria izahay tsy mahalala ny fomba , tsy mahalala fady koa mangataka izany fihavanana izahay e! Koa raha misy zavatra fady anareo, hampahafantaro anay zanak’olombelona dia lazao satria izany no hisian’ny fitandremana, ny fampahalalana, satria ankizy madinika ny namana. Koa apilio ny ankizy, ampirimo ny entana sao voadosin’ny sarety, voadosin’ny omby ary sao voahitsaka ny zazkely koa manjary manome tsiny. Noho izany ireto misy tolotra ho anareo : ny Maroreny, io ny barisa, io ny vatomamy, io ny fotsimbary kely, io ny savony, io ny mena-bolo, ireo ny avy amin’izany ny fanagatahan-dalana, ny fanaovanay ny tany fa ny tany dia anareo, fa zahay kosa mpihindrana. Mila vokatra, mila ny tsara izahay koa tsy maintsy mangataka e, koa ny joro ataonay dia aloka kain’andro zany e, ka ny avo tratrany ny iva tratrany, koa rano am-body vendrana izany e hanitsinitsy hanaranara. Koa hahasoa hahatsara Andriamanitra Andriananahary!

RANDRIANOELY (Ingahibe Sata), Ambodivoara, 25 mai 2014

xv

SANTIONAN’NY FANONTANIANA TAMIN’NY FANADIHADIANA

Tamin’ireo tangalamena sy ny zokiolona

Momba ny Marofotsy

1. Avy aiza moa no loharano nipoiran’ny Marofotsy? Faritra aiza avy no misy azy? Nahoana no nantsoina hoe Marofotsy ny olona tety?

2. Raha vao miresaka Marofotsy dia ny filohan’ny Menalamba no ao an- tsaina. Iza moa Rabezavana? Tantarao fohifohy ny zavatra fantatrareo momba azy?

3. Tantarao tsotsotra hoe: manao ahoana ny fomba fiainan’olona tety taloha?

4. Nareo ihany koa izao miaina ny vaninadro ankehitriny. Inona avy ny fiovana tena hitanareo misongadina amin’ny fiainan’ny olona?

5. Inona no mba hetahetanareo ho an’ny taranaka ho an’ity faritra misy antsika ity?

Tamin’ireo ray aman-dreny

1. Inona no mba fantatrareo momba izany hoe Marofotsy izany?

2. Iza moa izany Rabezavana izay? Aiza izy no milevina? Inona no nataony tamin’ny fahavelony? Inona no foko nisy azy?

Momba ny tanàn’Ambodivoara

1. Tantarao izay mba fantatrareo momba ity tanàn’Ambodivoara ity? Lazalazao ny mpanorina sy ny momba azy.

2. Nahoana no nanomezana azy ny anarana hoe Ambodivoara?

3. Nanao ahoana ny fomba fiainan’ny olona teto taloha? Iza no mpitondra? Nanao ahoana ny rafitra nisy nifampitondrana tamin’izany?

4. Amin’izao fotoana izao inona ny zavatra tsapanao fa niova? Inona ny tianareo ilay fiainana teto taloha sa izao ankehitriny izao?

5. Inona no mba fanirianao ho an’ny fanatsarana ny fiainantsika eto Ambodivoara eto?

xvi

Momba ny fiainana andavandro

Ny mpampianatra

1. Voaray daholo ve ny karamanareo eto?

2. Mazoto mampiana-janaka ve ny olona?

Ny mpitsabo

1. Maro ve ny olona manao fanabeazana aiza?

2. Mazoto mamomjy tobim-pahasalamana ve ny olona?

Ny mpitondra fiangonana

1. Firy ny isan’ny kristianina ao aminareo?

2. Mazoto manefa adidy ve ny olona?

Ny filoham-pokontany

1. Mora entina ve ny vahoaka eto? Manara-dalàna ve?

2. Inona no hetahetanao ho an’ity fokontany ity?

Ny Ben’ny tanànana sy ny mpiara-miasa aminy

1. Misy firy ny vahoaka eto amin’ny kaominina?

2. Inona no tena laharam-pamehana aty?

3. Mety aminareo ve ilay fomba fahan-jafy sy ny fomba amam-panao sasany iainan’ny vahoaka?

Tamin’ireo tanora

1. Ahoana ny fahitanao ny zavatra iainan’ny olona amin’ity faritra Tsaratanàna ity amin’izao fotoana izao?

2. Inona no zavatra hitanareo fa tokony hatao mba hampandroso ity faritry ny Marofotsy ity?

Tamin’ireo ankizy

1. Iza no tianareo dadilahy sy babe ve sa i dada sy neny?

2. Inona ny asa hataonao rehefa lehibe?

xvii

Ny vehivavy tsy manam-bady

1. Manampy anao ve ny rain’io zaza io?

2. Ahoana hoy ny vavan’ny mpiara-monina aminao?

3. Tian’ny raibeny sy ny renibe ve ny zanakao?

Momba ny joro sy ny fikarakarana rehetra ary ny sandan’ny fitaovana nampiasaina tamin’izany.

Tamin’ireo zokiolona sy ny ray aman-drenibe

1. Inona moa ny atao hoe joro? Misy karazany maro ve izy io? Aiza avy ny toerana azo anaovana azy? Isaky ny fotoana inona no manao jamà?

2. Inona ny finoana narahin’ireo razana tety taloha? Oviana no nisy fivavahana krsitianina? Iza no nitondra izany? Nanao ahoana ny nataony?

3. Inona ity fahan-jafy ity? Lazalazao hoe manao ahoana avy no atao amin’izany? Inona no tena dikany? Ny zava-kendrena?

4. Inona ny olana tsapanareo ankehitriny ka mahatonga ny olona maro tsy manao firy ity fomba ity?

5. Ianareo efa nanao azy ity, inona ny tombotsoa azonareo?

6. Mbola ilaina ve ny manana taranaka maro ankehitriny? Ahoana ny fahitanareo ny lanjan’izany fanana taranaka maro izany?

Tamin’ireo tanora sy ny zafikely

1. Mahafinaritra ve ilay manao jamà fahan-jafy? Matsiro ve ilay trafon-kena?

2. Faly be mihitsy ve nareo?

Ny mpimasy

1. Misy olona firy no mandeha eto aminao isan’andro?

2. Tsy misy olana ve eo aminao sy ny dokotera?

3. Inona avy ny dikan’ireo fitaovana isan-karazany nampiasainao tamin’ity joro ity?

xviii

4. Ianao no ny mpanandro ity joro fahan-jafy iny, inona no kendrenao voalohany tamin’izany?

5. Talenta ve ny anao sa zavatra nianarana?

6. Ditsoka tsy afaky ny tompony hoy ny fitenin-drazantsika. Manana mpimasy koa ve ianao?

7. Inona no mba hetahetanao amin’ity asanao ity?

xix

Fafana 9 : ny isa ny olona nanaovana fanadihadiana

Sokajin’olona/ Anjara toerany Isany

Mpiasa tao kaominina Keliloha 10

Mpitondra tao 8 Ambodivoara(filoha sy mpanolon- tsaina)

Mpitsabo tao amin’ny C.S.B.II 2

Mpampianatra tao Ambodivoara 5

Mpitondra fiangonana 3

Mpimasy sy mpahay ody 23

Zokiolona mahery 70 taona 5

Renim-pianakaviana 15

Raim-pianakaviana 15

Tovovavy mpitovo 10

Tovolahy mpitovo 15

Vehivavy miteraka tsy manam- 10 bady

Zafikely 50

xx

FINTINA

Ity asa fikarohanay ity: “Ny joro fahan-jafy”ankehitriny any amin’ny Marofotsy ny endriny sy ny lanjany. Fokontany Ambodivoara, distrika Tsaratanàna, faritra Betsiboka”.dia hita ao amin’ny sehatry ny antrôpôlôjia sôsialy. Ao anatin’ny sampana antrôpôlôjia mandinika momba ny finoana sy ny fivavahan-drazana. Mizara telo lehibe ity boky ity. Ao amin’ny fizarana voalohany ny fampahafantarana ara- jeôgrafia ny toerana. Tao ihany koa no nanasongadinana ny momba ny Marofotsy, ny fokontanin’Ambodivoara. Ny fizarana faharoa kosa indray dia ny famariparitana momba ny joro fahan-jafy. Naseho tao ny fizotry ny lanonana, ny fivoaran’ity fomba fahan-jafy ity sy ny fampitahana azy tamin’ny fafy zaza any amin’ny Antemoro. Ny fizarana farany kosa dia nanasongadinana ny maha zava-dehibe ny fahan-jafy, ny olana atrehina, ary ny fanolorana soso-kevitra.

RESUME

Ce notre travail de recherche : « Ny joro fahan-jafy actuel chez les Marofotsy, ses aspects et ses valeurs. Fokontany Ambodivoara, district de Tsaratanàna, région de Betsiboka ». fait partie de l’anthropologie sociale qui étudie la vie sociale (la vie des groupes humains). Nous nous sommes concentrées surtout dans le domaine de l’anthropologie religieuse Ce travail se divise en trois grandes parties : La première partie renferme la présentation géographique du lieu où nous avons effectué notre recherche, la présentation de l’ethnie Marofotsy, et le Fokontany d’Ambodivoara. Dans la deuxième partie, nous avons exposé ce qu’est le « joro fahan-jafy », comment se déroule le rite pour le fahan-jafy. Nous avons montré l’évolution de cette coutume. Nous avons essayé aussi de faire la comparaison de ce rite à celui du « fafy zaza » (la bénédiction des enfants) chez les Antemoro. Et dans la troisième partie, nous avons mis en évidence l’importance du ‘fahan-jafy » Nous avons insisté qu’actuellement la vie sociale subit beaucoup d’épreuves. Enfin, nous avons avancé quelques suggestions relatives aux besoins des gens du village.

RESUMEN

Este trabajo de investigación el rito del «joro fahan-jafy actual en el Marofotsy. Su aspecto y valore. Fokontany Ambodivoara, districto del Tsaratanàna, Region del Betsiboka » se inscribe en el marco de la Antropología social, que estudia

xxi la vida social (la vida de los grupos humanos). Nos hemos centrado sobre todo en el ámbito de la Antropología religiosa, que se ocupa de las creencias y la cultura. Este trabajo se divide en tres grandes partes: La primera se ocupa de la descripción geográfica de la comarca donde hemos llevado a cabo nuestra investigación, la presentación de la etnia marofotsy, y el poblado de Fokontany d’Ambodivoara. En la segunda parte exponemos lo que es el «joro fahan-jafy», cómo se desarrolla el rito del fahan-jafy. Hemos tratado, de mostrar la evolución de estas costumbres asimismo, hemos tratado de comparar este rito con el del «fafy zaza» (la bendición de los niños) entre los antemoros. En la tercera parte ponemos de relieve la importancia del fahan-jafy, destacando el peso de las creencias en que se basa. Hemos subrayado el hecho de que la vida social en la actualidad sufre muchas pruebas. Pasa por momentos muy difíciles en todos los aspectos. Al final, hemos propuesto algunas sugerencias en relación con las necesidades de la gente del poblado.

ABSTRACT

This research work related to the field of social anthropology. It is based on social life. Therefore, one branch of it focuses on beliefs and ancestors belief; more precisely " the joro « fahan-jafy actualy in Marofotsy, the aspect and the usefulness. Fokontany Ambodivoara, district Tsaratanàna, region Betsiboka » Thus this work has been divided into three distinct parts as follows : the first section includes a geographical overview study where we conducted the research work. In addition, we singled out Marofotsy and Ambodivoara district which we have chosen for this study. The second part of our dissertation is composed of three divisions: the first division deals with the definition of «horoscope fahan-jafy". We also mentioned the the improvement of faha-jafy and the difference between this "fahan-jafy" and « fafy zaza » in Antemoro.The last division presented. The last part of our work is research work is oriented to giving the importance of fahan-jafy. It is noticed that social life faces a numerous problems. Then appear some suggestions according to people 'needs in this area.

xxii

FILAZALAZANA MOMBA NY BOKY

Anarana: LANDIARINJATO Lyve Michaelà

Adiresy: Soavimbahoaka BP.7173, Tananarivo 101

Finday: 034.29.429.56

Lohateny: Ny fahan-jafy ao amin’ny foko marofotsy. Ny endriny sy ny lanjany Fokontany Ambodivoara, distrika Tsaratanànana, faritra Betsiboka.

Isan’ny takila: 142

Isan’ny fafana: 9

Isan’ny sary: 12

Isan’ny tovana: 15

Famintinana:

Ity asa fikarohanay ity: “Ny joro fahan-jafy”ankehitriny any amin’ny Marofotsy ny endriny sy ny lanjany. Fokontany Ambodivoara, distrika Tsaratanàna, faritra Betsiboka”.dia hita ao amin’ny sehatry ny antrôpôlôjia sôsialy. Ao anatin’ny sampana antrôpôlôjia mandinika momba ny finoana sy ny fivavahan-drazana. Mizara telo lehibe ity boky ity. Ao amin’ny fizarana voalohany ny fampahafantarana ara- jeôgrafia ny toerana. Tao ihany koa no nanasongadinana ny momba ny Marofotsy, ny fokontanin’Ambodivoara. Ny fizarana faharoa kosa indray dia ny famariparitana momba ny joro fahan-jafy. Naseho tao ny fizotry ny lanonana, ny fivoaran’ity fomba fahan-jafy ity sy ny fampitahana azy tamin’ny fafy zaza any amin’ny Antemoro. Ny fizarana farany kosa dia nanasongadinana ny maha zava-dehibe ny fahan-jafy, ny olana atrehina, ary ny fanolorana soso-kevitra.

Teny fototra: Antrôpôlôjia, Antrôpôlôjia baikon’ny hetsika, Araka anjara asa, Ambodivoara, fahan-jafy, fiarahamonina, joro, Marofotsy, raibe, zafikely

Ny mpitarika:

Profesora SOLO-RAHARINJANAHARY RAHARIMALALA Anatolie

Professeure Titulaire et Directrice de Recherches à l’Université d’Antananarivo, Ecole Normale Supérieure