RADO RAMAHERISON

UNIVERSITE D’ Ecole Normale Supérieure Département de la Formation Initiale

C.E.R Langue et Lettres malgaches

Mémoire de fin d’études pour l’obtention du Certificat d’Aptitude Pédagogique de l’Ecole Normale (C .A.P.E.N)

NY TARA-KEVITRY NY FITIAVANA ARAKA NY AHITANA AZY AO AMIN’IREO TONONKALON’I RADO RAMAHERISON VOARAKITRA AO AMIN’NY BOKINY RONJOM-BAZO, FANALAHIDY ARY RANONTANY

Tome 2

Presenté par: RAJERISON Aimé Maminiaina

Directeur de recherche: ANDRIAMANATSILAVO Seth (Maître de conférences)

Antananarivo, 2015 Date de soutenance : 15 Décembre 2015 2

TENY FISAORANA

Ety am-piandohana, ny teninay voalohany dia fisaorana an’Andriamanitra. Izy no Tompo sy Mpandahatra ny zavatra rehetra ary miantoka ny fiainan’ny zanak’olombelona. Notafiany hery sy tanjaka ary fahasalamana izahay ka afaka nanatontosa soa aman-tsara izao asa fikarohana izao. Hoderaina mandrakizay anie ny anarany masina.

Etoana, dia tolorana fisaorana ihany koa Andriamatoa RATREMA William nanaiky am-pitiavana ho filoha hitarika ny fitsarana ity asanay ity. Ho lava velona anie ianao, hifanantitra amin’ny zanaka aman-jafy, ho mamy tian’ny soa ary hangidy ho lavitry ny ratsy.

Manaraka izany, dia maneho fisaorana anao Ramatoa RATRIMOHERITOMPO Vololonantenaina Holiharinaivo tamin’ny fandavan-tenanao nanaiky hitsara ny asanay. Tsy nanosi-bohon-tanana anay ianao fa nanaiky an-tsitrapo sy amim-pitiavana rehefa niangavianay hanao izany. Andriamanitry ny fahatsarana anie hitahy sy homba anao hatrany.

Tsy azo atao ambany maso tsy hita ianao Andriamatoa ANDRIAMANATSILAVO Seth izay nitarika anay. Ianao no niara-niasa akaiky taminay. Tsy nampaninona anao ny nohelingeleninay tamin’ny fotoana rehetra. Tsy nitarain-tana-miempaka sy tsy nikely soroka tokoa ianao fa nandraraka herim-po mba hahatafita anay. Tsy zava-bitika izany tompoko. Saotra mihoa-tsisiny ary dera mihoa-patra no omenay anao. Misao-jato, misaotra arivo tompoko.

Tsy hohadinoinay ihany koa ny misaotra ny mpampianatra sy mpanabe rehetra tsy ankanavaka eto amin’ny sekoly, izay nanefy anay ho olom-banona nandritra ny dimy taona niofananay teto. Singanina manokana amin’izany ny Lehiben’ny Sampana misy anay Andriamatoa RANDRIAMAHAZO Jean Claude. Sitraka sy telina no atolotra anareo tompoko.

Fa raha tsy teo anefa ny mpanoratra, izay angady nananana sy vy nahitana izao asa fikarohana izao dia zava-poana ihany. Noho izany dia maneho fisaorana an’i RADO RAMAHERISON izahay tamin’ny nanekeny hanaovana fanadihadiana ny asa sorany sy tamin’ny nanomezany fanazavana mahafa-po nandritra ny fanadihadiana nataonay taminy. Hiroborobo hatrany anie ny literatiora ataonao ary hivelatra ny talentanao. 1

Fisaorana ihany koa no atolotra ny tapaka sy namana rehetra, ny mpiara-mianatra, indrindra ny andiany ZAHATRA misy anay. Niara-nifarimbona sy nifanome tanana taminay ianareo ka nahavitanay izao asa izao.

Hamarananay ny teninay, dia tsy hainay ny tsy hisaotra ireo loharano nipoiranay, lolohavina an-tampon’ny loha. Tsy nitsahatra nankahery hatrany tamin’ny fotoana nanatontosanay ny asa. Tsy nitandro vola aman-karena hahatafita ny zanany.

Misaotra tompoko

RAJERISON Aimé Maminiaina

2

FIZAHAN-TAKILA

LOHATENY TAKILA

TENY FISAORANA…………………………………………………………………….1

FIZAHAN-TAKILA…………………………………………………………………… 3

FANALAVAN-TENY…………………………………………………………………11

0- FAMPIDIRANA……………………………………………………………….13 0-1 ny sehatra nirotsahana………………………………………………………….13 0-2 ny anton’ny safidy……………………………………………………………..13 0-3 ny zava-kendrena…………………………………………………………….....14 0-4 ny lohatenin’ny asa fikarohana…………………………………………………15 0-5 petraka olana……………………………………………………………………15 0-6 petraka hevitra………………………………………………………………….15 0-7 ny fomba nanatanterahana ny asa………………………………………………15 0-8 ny haitsikera nampiasaina………………………………………………………16 0-9 ny drafitra ankapobeny sy ny fetran’ny asa…………………………………….17

FIZARANA VOALOHANY: NY MOMBAMOMBA NY MPANORATRA SY IREO HERY NAMOLAVOLA AZY HIHIRA NY FITIAVANA...... 19

I- NY MOMBAMOMBA NY MPANORATRA SY IREO HERY NAMOLAVOLA

AZY HIHIRA NY FITIAVANA………………………………………………...... 20

1-1Ny fiainany teo anivon’ny ankohonany sy ny fianakaviany….....20

1-1-1 ny ankohonana nisy azy………………………………………………………20

1-1-2 ny fiaviany………………………………………………………………….21 1-1-3 ireo dingam-piainana nolalovany…………………………………………..21

a-ny fahazazany……………………………………………………………....21 3

b-ny fahatanorany…………………………………………………………….22

d-ny tokantranony…………………………………………………………….23

1-2 Ny fanabeazana azony teo anivon’ny fiarahamonina……...... 24 1-2-1- teo anivon’ny fiangonana…………………………...... 25 1-2-2- ny asa aman-draharaha nosahaniny………………...... 25 . Ny asany……………………………………………………….25 . Ny andraikitra hafa efa nosahaniny ivelan’ny asa fivelomany……………………………………...26 1-3 Ny firotsahany teo amin’ny sehatry ny literatiora……………28

1-3-1 ny fitantanan’ny poeta hafa……………………………………...29

1-3-2 ny hetsika ara-java-kanto nandraisany anjara………...... 31 1-1-3 ny fifaneraserany tamin’ny haino aman-jery isan-karazany…………………………………………………….33

Fehin’ny fizarana voalohany…………………………………………………………34

FIZARANA FAHAROA: IREO SEHATRA SAMIHAFA NIVETSOANY NY FITIAVANA……………………………………………...35

II-IREO SEHATRA SAMIHAFA NIVETSOANY NY FITIAVANA…………….36

2-1 Eo amin’ny olon-droa mifankatia………………………………………...36

2-1-1 ny antsoina hoe “fitiavana”…………………………………………………….36

2-1-1-1 ho an’ny mpandinika…………………………………………………...37

2-1-1-2 ho an’ny mpanoratra………………………………………………….37

2-1-2 Ny fitsiriny……………………………………………………………………37

2-1-2-1 Ireo singan-javatra mety hampitsiry ny fitiavana……………………...37

a- ny endriny ivelany………………………………………………………….38 -ny volo…………………………………………………………………….38 -ny hodi-tava……………………………………………………………….39

4

-ny maso……………………………………………………………………39 -ny molotra…………………………………………………………………39 -ny famindra………………………………………………………………..39

b-ny toetra amam-panahy……………………………………………………...40

2-1-2-2 ny fomba enti-maneho fitiavana……………………………………………40

a-fizarana teny mamy……………………………………………………….41

b-fanajana ny olon-tiana………………………………………...... 42

d-fanomezan-danja ny olon-tiana manoloana ny hafa……………………...43

e-firesadresahana amin’ny toerana mangina……………………………….45

2-1-3 ny fivelaran’ny fitiavana……………………………………………………….49

2-1-3-1 ny heriny………………………………………………………………...48

a-mampitambatra sy mampifamatotra ny mpifankatia

ny fitiavana…………………………………………………………...48

b-fahatsiarovana tsy hay kosehina………………………………………49

d-tsy fahatsiarovana fijaliana…………………………………………....50

e-fanaovana lainga………………………………………………………51

2-1-3-2 Ireo sedra mety ho lalovan’ny fitiavana………………………………..52

 ny anjara sy lahatra……………………………………………………………….52  ny sakana avy amin’ny Ray aman-dReny…………………………...... 53  ny ditran’ny lehilahy……………………………………………………………..54

2-2 Eo amin’ny sehatry ny ankohonana sy ny fianakaviana…………..58

2-2-1 ny antsoina hoe “ankohonana” sy “fianakaviana”…………………………..59

2-2-2 ny fitiavan’ny Ray aman-dReny ny zanaka………………………………...59

2-2-2-1 ny fikelezana aina hahatafita ny zanaka……………………………..59

5

2-2-2-2 ny fananaran-janaka…………………………………………………61

2-2-2-3 ny fampianarana ny zanaka hiatrika ny fiainana…………………...63

2-2-3 Ny fitiavan’ny zanaka ny Ray aman-dReny……………………………………64

2-2-3-1 ny fitiavan’ny zanaka ny Reny………………………………………….65

a-ny fanajana ny Reny…………………………………………………..65

b-ny fivavahana ho an’ny Reny nahitana masoandro…………………..67

d-ny fanoroana hevitra ny Reny………………………………………..67

2-2-3-2 ny fitiavan’ny zanaka ny Rainy……………………………………….69

a-ny fanomezan’ny zanaka torohevitra ho an’ny rainy………………..69

b-ny famelan’ny zanaka ny hadisoan’ny rainy………………………...70

2-3 Eo amin’ny sehatry ny fiarahamonina sy ny tanindrazana………..71

2-3-1 eo amin’ny sehatry ny fiarahamonina………………………………………...72

2-3-1-1 ny zava-misy hitan’ny mpanoratra eo amin’ny fiarahamonina

misy azy………………………………………………………………..72

a-ny fahasahiranan’ny mpiara-belona………………………………..72

 tsy fisian’ny vola………………………………………………………………...72  ny fihafiana iainan’ny mpiara-belona……………………………………………74  Ny fijaliana iainan’ny mpiara-belona…………………………………………….75

b-ny fifaminganana eo amin’ny samy mpiara-belona……………….77

 ny fihatsarambelatsihy…………………………………………………...... 77  mpiara-belona mifampisotasota………………………………………………….78

2-3-1-2 ny fihetsiky ny mpanoratra manoloana ny zava-misy hitany

eny anivon’ny fiarahamonina………………………………………….79

a-ny fanoroana hevitra…………………………………………………79 6

b-ny fampaherezana amin’ny alalan’ny fijoroana

ho vavolombelona……………………………………………………..81

d-ny fivavahana ho an’ny mpira-belona……………………………...83

2-3-2 Eo amin’ny sehatry ny tanindrazana……………………………………………84

2-3-2-1 ny antsoina hoe tanindrazana……………………………………………85

2-3-2-2 ny zava-misy hitan’ny mpanoratra eto Madagasikara………………….85

a-ny tsy fisian’ny fitiavan-tanindrazana eo amin’ny olona

ho mpitondra…………………………………………………………..85

b-ny tsy fisian’ny demôkrasia

eto Madagasikara……………………………………………………...88

d-ny fitiavan-tsezan’ny mpitondra………………………………………89

2-3-2-3 ireo endrika hanehoan’ny mpanoratra

ny fitiavan-tanindrazana………………………………………………..89

a-miady ho an’ny tanindrazana…………………………………...... 90

b-ny fanoherana ny tsindry hazo lena ataon’ny mpitondra……………...92

d-fahafoizana aina ho an’ny tanindrazana……………………………....93

e-fivavahana ho an’ny mpitondra ny firenena…………………………...94

Fehin’ny fizarana faharoa……………………………………………………………95

FIZARANA FAHATELO: NY FOMBA NANEHOAN’NY MPANORATRA NY VETSOM-PITIAVANA……………………………..96

III-NY FOMBA NANEHOAN’NY MPANORATRA NY VETSOM- PITAVANA……………………………………………………………………………97

3-1 Ny filalaovana amin’ny fomba fanoratra…………………………...97

7

3-1-1 filalaovana amin’ny mari-pijanonan-tsoratra……………………………..97

3-1-1-1 fampiasana teboka telo……………………………………………98

3-1-1-2 fampiasana baraingo……………………………………………..100

3-1-1-3 fampiasana teboka roa…………………………………………..103

3-1-1-4 fampiasana tsoraka…………………………………………….104

3-1-2 filalaovana amin’ny endri-pehezanteny………………………………108

3-1-2-1 ny fampiasana fehezanteny amin’ny filaza mandidy………….108

a-filaza mandidy maneho

fangatahana hanao zavatra iray………………………109

b-filaza mandidy maneho

fitalahoana amin’Andriamanitra…………………….111

d-filaza mandidy maneho fampaherezana……………113

3-1-2-2 fehezanteny ahitana sora-baventy sy sora-mandry

matavy……………………………………………………….116

a-ny fehezanteny ahitana sora-mandry matavy……………..116

b-ny fehezanteny ahitana sora-baventy…………………….117

3-1-3 ny bika amana endriky ny andininy sy andalana ao anaty

tononkalo……………………………………………………………...118

3-1-3-1 andininy iray tsy ahitana afa-tsy andalana roa………………...119

3-1-3-2 andininy iray misy andalana efatra…………………………...120

3-1-3-3 fampiasana andalana maro…………………………………...121

3-2 Filalaovana amin’ny voambolana……………………………………….125

3-2-1 voambolana nindramina avy ao amin’ny Baiboly…………………………...126 8

3-2-2 voambolana noloarana avy amin’ny foto-pisainana malagasy……………..131

3-2-3 voambolana ilazana ny olon-tiana…………………………………………..132

3-2-4 voambolana fampiasa manodidina ny fitiavan’olon-droa…………………..134

3-2-5 voambolana fampiasan’ny zatovo ankehitriny……………………………..137

3-3 Filalaovana amin’ny sarin-teny isan-karazany………………………141

3-3-1 ny tamberin-javatra……………………………………………………………..141

3-3-1-1 ny tamberim-peo………………………………………………………..141

a-ny tamberin-janapeo na “Assonance”………………………….141

b-tamberin-drenifeo na “Allitération”……………………………143

3-3-1-2 ny tamberim-boanteny…………………………………………………144

a-eo amin’ny olon-droa mifankatia……………………………………..144

 Anaphore………………………………………………………………………..145  Anadiplose………………………………………………………………………147

b-eo amin’ny ankohonana sy ny fiarahamonina………………………..150

 Anaphore………………………………………………………………………..150  Epanode…………………………………………………………………………152

3-3-2 ny fanovan-javatra…………………………………………………………….153

3-3-2-1 ny fanovana endri-javatra na “Métaphore”……………………………153

a-ny fanovana endri-javatra azo avy amin’ny fanafiana toetry

ny anoharana ny oharina……………………………………………...154

b-ny fanovana endri-javatra azo avy amin’ny fampitoviana

ny oharina sy ny anoharana………………………………………….155

3-3-2-2 ny fanovana anarana na “Métonymie”………………………………..157

9

3-3-3 ireo sarin-teny hafa…………………………………………………………….158

3-3-3-1 ny filaza matavy (Hyperbole)…………………………………………...158

3-3-3-2 ny fehezanteny mifamaly rafitra na (Parallélisme)……………………..160

3-3-3-3 ny teny roa mifamaritra nefa mifangari-kevita (Oxymore)……………161

3-3-3-4 fanomezana toetr’olona ny zavatra iray (Personnification)……………162

TENY FAMARANANA……………………………………………………………..165

IREO BOKY NANOVOZAN-KEVITRA……………………………………………168

TOVANA……………………………………………………………………………..172

-Mombamomba ny MPIRAIFARIBOLANA (Tovana I)…………………………….172

-Riankalo vitsivitsy (Tovana II)………………………………………………………179

-Ireo tononkalo nodinihan’i Lydiary sy Ira ka nanekena ny handraisana azy ho MPIRAIFARIBOLANA (Tovana III)……………………………………………185

-Ireo tononkalo telo voalohany tamin’ny fifaninanana hamaly sa hanoratra 2009

(Tovana IV)…………………………………………………………………………...191

-Rehefa nandinika aho (Tovana V)…………………………………………………...199

-FAMINTINANA……………………………………………………………………..202

-RESUME……………………………………………………………………………..203

-ABSTRACT …………………………………………………………………………204

10

FANALAVAN-TENY

A.C .E.E.M : Action pour la Culture, l’Education et l’Enseignement à

And : Andininy

Andl : Andalana

B.E.P.C: Brevet d’Etude du Premier Cycle

C.A.P.E.N : Certificat d’Aptitude Pédagogique de l’Ecole Normale

C.C.A.C : Centre Culturel Albert Camus

C.E.G : Collège d’Enseignement Général

C.E.P.E : Certificat d’Etude Primaire Elémentaire

C.G.M : Cercle Germano Malagasy

C.N.TE.MAD : Centre National de Télé-enseignement de Madagascar

C.S.F.X : Collège Saint François Xavier

D.D.S.S : Direction de la Démographie et des Statistiques Sociales

D.R.H : Direction des Ressources Humaines

D.T.S : Diplôme de Technicien Supérieur

E.N.S : Ecole Normale Supérieure

FI.M.M.TE.MA : Fikambanan’ny Mpianatra sy Mpampianatra Teny Malagasy

F.J.K.M : Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Ibid : ibidem

I.N.STAT : Institut National de la Statistique

Lah : laharana

L.J.J.R : Lycée Jean Joseph Rabearivelo

M.D.N : Ministère de la Défense Nationale

11

O.M.D.A : Office Malgache du Droit d’Auteur

Op.cit : Opus citatum/Opere citato

P.U.F : Presses Universitaires de France

S.EFF : Service des effectifs

S.L.K : Sampana Lehilahy Kristianina

S.TE.LA.RI.M : Sampana Teny sy Lahabolana ary Riba Malagasy

Tak : Takila

V.A : Vondrona Ambara

ZA.HA.TRA : Zandry Hanandratra Avo ny Tenin-drazana

12

TENY FAMPIDIRANA

Mba hahazoana ny mari-pahaizana C.A.P.E.N (Certificat d’Aptitude Pédagogique de l’Ecole Normale) ary ho famaranana ny fianarana, dia tsy maintsy manao asa fikarohana ny mpianatra tsirairay eto amin’ny Sekoly Ambony Fanomanana ho Mpampianatra amin’ny Ambaratonga Fahatelo (E.N.S). Dimy taona ny faharetan’ny fiofanana. Ny efatra taona voalohany, dia any an-dakilasy avokoa, ary amin’ny taona fahadimy no anatanterahana io asa fikarohana io. Sehatra maromaro no azo irotsahana amin’izany.

0-1 ny sehatra nirotsahana

Taranja maro no misy eto amin’ny sekoly toy ny taranja malagasy, frantsay, angilisy, tantara sy jeôgrafia, ny fizika sy simia, ny siansa, ny fanatanjahantena, ny filôzôfia, ny matematika. Ny taranja malagasy no nosafidianay arahina tamin’ireo.

Raha ny ao amin’ny Sampana Malagasy, dia seha-pikarohana dimy no azo isafidianana : fandalinana ny Riba, ny antrôpôlôjia, fandalinana ny haiteny , fandinihana ny fanatsarana ny fampianarana, ary ny fandalinana ny tontolon’ny literatiora.

Mizara roa io literatiora io: ny literatiora am-bava, andaniny ; ary ny literatiora an- tsoratra ankilany. Ny literatiora an-tsoratra no anompananay ny fanadihadiana. Maro ny azo trandrahana amin’ny literatiora an-tsoratra: ao ny tantaran’ny literatiora, fanadihadiana ireo karazan-dahatsoratra misy, ny fanadihadiana mpanoratra sy ny asa sorany.

Ny fampahalalana an’i RADO RAMAHERISON sy ny asa sorany no tena ifotorana amin’ity asa ity.

0-2 ny anton’ny safidy

Nosafidianay ny literatiora, satria nankafizinay sy mba nanavanana anay kokoa raha mitaha amin’ireo taranja hafa voalaza etsy ambony.

Mahatsapa ihany koa izahay fa goavana ny anjara toeran’izany literatiora izany eo amin’ny fiainan’ny zanak’olombelona.

Tena ilaina amin’ny fampivelarana ny maha olona mantsy ny literatiora. Hoy i Charles RAJOELISOLO milaza izany:

13

“Tsy mikendry rahateo ny hitatitra ireny foto-kevitra teôlôjika ireny akory ny literatiora, fa mibahan-toerana ao kosa ny eritreritra manoloana ny fepetra mifehy ny olombelona eto an-tany dia ny hetahetam-piainany, ny fifaliany, ny fahasambarany, ny adin-tsainy, ny fahoriany, ny tebitebiny, ny fahadisoam-panantenany, ireny no asa soratra tsy lefin’ny fotoana ka mitoetra ho sangan’asa eo anivon’ny tantara, na aiza toerana na inona ivelomana.”1

Ankoatra izay, dia fitaovam-panabeazana koa ny asa soratra, ary hita ao ny mahasoa sy ny mahafinaritra. Manambara izany RAVELOJAONA manao hoe:

“Ny literatiora dia ikendrena ny mahasoa sy ny mahafinaritra eo amin’ny fiainana”.2

Amin’ny alalan’ny asa sorany no amoahan’ny mpanoratra sy ampisehoany ny zava- misy eo amin’ny fiarahamonina. Hoy i (M) KHRAPTCHENKO:

“Mazàna dia miainga amin’ny fandinihan’ny mpanoratra ny zava-misy manodidina azy ny famolavolany asa soratra”.3

Nisafidy ny mpanoratra RADO RAMAHERISON izahay noho ireto antony manaraka ireto:

 Mpanoratra mbola velona izy ka afaka miresaka mivantana aminy.  Mpanoratra vao misandratra kanefa efa manana ny maha izy azy raha eo amin’ny fanoratana tononkalo  Mpanoratra mbola tsy nisy nanao asa fikarohana ny momba azy sy ny asa sorany, ka malalaka ny fisafidianana lohahevitra hohadihadiana

0-3 ny zava-kendrena

Manana ny zava-kendreny ny asa fikarohana toy itony. Anisan’ny nokendrenay ireto lafin-javatra manaraka ireto:

1 (Ch) RAJOELISOLO : « Tsipy hevitra ho an’izay te hanoratra », in Ny sakaizan’ny tanora, Novambra 1931 2 RAVELOJAONA , « Littérature » in Mpanolo-tsaina, lah 19, Jolay 1908, tak.163 3 (M) KHRAPTCHENKO, La personnalité de l’écrivain et l’évolution de la littérature, Editions du progrès, Moscou, 1974 : « La conception d’une œuvre a le plus souvent son origine dans l’observation de la réalité. » , tak.25 14

 ho fampahalalana ny mpanoratra sy ireo asa sorany. Marina fa efa nivoaka ho boky izy ireo, kanefa tsy ny olona rehetra no mahalala azy.  ho fanabeazam-boho ny literatiora an-tsoratra malagasy. Harena sarobidy mantsy ny soratra. Anterin’i F. RAKOTONAIVO izany manao hoe: “Ny soratra izay nivela mantsy dia lovan-tsaina sarobidy ho an’ny taranaka, ka mipetraka maharitra ho vavolombelona.”4  ho fanatevenana ny tahirin-kevitra azon’ny mpampianatra ampiasaina.  ho fampirisihana ireo zandry mbola hirotsaka eo amin’ny sehatry ny asa fikarohana. Mahatsapa izahay fa mbola betsaka ny lohahevitra azo trandrahana ao amin’ny tononkalon’i RADO RAMAHERISON fa santatra am-bava rano ihany ny anay nandinika ny tara-kevitra “Fitiavana”.

0-4 ny lohatenin’ny asa fikarohana

Nosaloranay ny lohateny hoe: “Ny tara-kevitry ny fitiavana araka ny ahitana azy ao amin’ireo tononkalon’i RADO RAMAHERISON voarakitra ao amin’ny bokiny Ronjom-bazo, Fanalahidy ary Ranontany” ny asa fikarohana nataonay. Tafiditra ao amin’ny fandaharam-pianarana eny amin’ny lisea mantsy ny lohahevitra “Fitiavana”. Lohahevitra anisan’ny ankafizin’ny mpianatra izy io.

0-5 petraka olana

Tsapa ankehitriny fa toa tsy mahay mizara sy mifampita fitiavana ny ankamaroan’ny olona, ary misedra olana ny mpifankatia. Dia mifanapotika ny samy mpiarabelona!

0-6 petraka hevitra

Raha toa anefa ka manjaka ny fitiavana, dia hirindra, na ny fiainan’ny mpifankatia, na ny fiainan’ny tokantrano tsirairay, na ny fiainan’ny fiarahamonina sy ny firenena.

0-7 ny fomba nanatanterahana ny asa

Dingana maromaro no natao vao tontosa izao asa izao:

4 (F) RAKOTONAIVO, Ny diampenin’Ny Avana RAMANANTOANINA (1891-1940), Ambozontany Fianarantsoa , tak.4 15

 Talohan’ny hiafaran’ny taom-pianarana tamin’ny taona fahefatra, dia nanam- pikasana hitady mpanoratra hanaovana asa fikarohana izahay.  Raha niserasera tao amin’ny tambajotra sôsialy fesiboky izahay, dia nahita ny asa soratry ny mpanoratra RADO RAMAHERISON, ary resy lahatra amin’ny hakantony. Tsy nisalasala niresaka taminy izahay, ary nanontany azy raha azo anaovana asa fikarohana ny asany.  Nanaiky am-pitiavana izy, ka nanome anay ny laharan-tariby ahafahana mifandray aminy.  Rehefa izany, dia nambaranay tamin’ny mpitarika anay izany hetahetanay ny hanadihady ny asa soratry RADO RAMAHERISON izany.  Niantso ny mpanoratra izahay avy eo. Natorony anay ny toerana ahafahana mihaona aminy.  Dia nomeny ireo boky telo: Ranontany, Fanalahidy ary Ronjom-bazo.  Naverimberina novakina ireo boky  Nisongadina ny lohahevitra momba ny Fitiavana.  Dia namaky boky teôrika momba ny haitsikera hampiasaina, ary nanangana ny drafitra vonjimaika.  Dia niroso tamin’ny asa fanadihadiana amin’izay.

0-8 ny haitsikera nampiasaina

Nosafidianay ny haitsikera miompana amin’ny tantaram-piainana (Approche biographique) entina mitrandraka ny asa soratr’i RADO RAMAHERISON.

Anisan’ny manaraka ity lalan-tsaina ity ry SAINTE-BEUVE sy i Hyppolite TAINE.

Resy lahatra izy ireo fa tsy azo sarahina ny asa soratra sy ny mpanoratra azy. Hoy i SAINTE-BEUVE: “Raha te hahafantatra betsaka ny mpanoratra sy ny asa sorany, dia tokony hajoro amin’ny maha olombelona azy ny mpanoratra, aseho amin’ny endriny rehetra izy. Arahina amin’ny lafim-piainana nodiaviny marina izy, satria manana toe- tsaina amam-panahy ary fiseho ivelany sy fifandraisany amin’ny mpiara-belona aminy.”5

5 SAINTE-BEUVE, Portrait littéraire, Edmée de la ROCHEFOUCAULD, Ed-Universitaire, Paris,1964 : « ( …) Entrer en son auteur, s’y installer, reproduire dans les aspects divers, le faire vivre, se mouvoir et parler comme il doit le faire, le suivre en ses intérieurs et dans les mœurs domestiques aussi avant quel’on peut rattacher par tous les côtés à cette terre, cette existence réelle à ses habitudes de chaque jour ,tak.677 16

Ilaina ny fahafantarana ny tantaram-piainan’ny mpanoratra. Tsy azo hazavaina mantsy ny toetry ny vokatra, hoy izy ireo, raha toa ka tsy fantatra ny tany nanirian’ilay hazo. Hoy indrindra i SAINTE-BEUVE raha milaza izany: “Sarotra ho ahy ny mitsara azy raha tsy fantatro ny olona, ary lazaiko tsy am-pisalasalana fa arakaraka ny hazo ny voany.”6

Tsy nijanona fotsiny tamin’io hatsikera ara-tantaram-piainana io anefa izahay, fa nampiasa ny haitsikera ara-piarahamonina (Approche sociologique) ihany koa mba hampitombina bebe kokoa ny fanazavana. Hoy mantsy i Beby Denise RANARISON hoe: “Tsy misy lalan-tsikera tokana ahazoana mandinika asa soratra amin’ny lafiny rehetra. Petrakevitra samihafa no hiaingan’ny mpahay tsikera arakaraka izay lafy kendrena havoitra.”7

Amin’ny fiheveran-dry WELLEK sy WARREN ihany koa, dia “maneho ny fiainana ny literatiora, ary ny atao hoe fiainana amin’ny ankapobeny dia ny zava-misy ara- piarahamonina.”8

Tsy afa-misaraka araka izany ny literatiora sy ny fiarahamonina. Ny fiainana hitan’ny mpanoratra eny anivon’ny fiarahamonina eny no apoitrany ao amin’ny asa sorany. Ny nampiely ity haitsikera ity, dia i Max WEBER.

0-9 ny drafitra ankapobeny sy ny fetran’ny asa

Ahitana fizarana telo lehibe ity asa ity. Ny fizarana voalohany no hamahavahana ny mombamomba ny mpanoratra sy ireo hery namolavola azy hihira ny fitiavana. Nojerena tamin’izany ny fiainany teo anivon’ny ankohonany sy ny fianakaviany, ny fanabeazana azony teo anivon’ny fiarahamonina, ary ny firotsahany teo amin’ny sehatry ny literatiora.

Ao amin’ny fizarana faharoa no hiresahana ireo sehatra samihafa nivetsoany ny fitiavana. Hojerena amin’izany ny eo amin’ny olon-droa mifankatia, ny eo amin’ny

6 Notaterin’i (A) CHASSANG et (Ch) DENNIGER, Les textes littéraires généraux, collection « U », classique Hachette, 1958, tak.459 : « il est difficile de la juger indépendamment de la connaissance de l’homme, et je disais volontiers, tel arbre , tel fruit. » 7 (BDS) RANARISON, Aingam-pivoarana, Laharana manokana,Antananarivo, 1979, tak.71 8 WELLEK et WARREN, La théorie littéraire, coll.Poétique, Edition du Seuil , Paris, 1971 : «La littérature représente « la vie », et « la vie » est, dans une très large mesure une réalité sociale. » tak.129 17 sehatry ny ankohonana sy ny fianakaviana, ary ny eo amin’ny sehatry ny fiarahamonina sy ny tanindrazana.

Ny fizarana fahatelo no hijerena ny fomba nanehoan’ny mpanoratra ny vetsom- pitiavana. Ny filalaovana amin’ny fomba fanoratra, ny filalaovana amin’ny voambolana, ary ny filalaovana amin’ny sarin-teny isan-karazany no hovelabelarina amin’izany.

Misy fetrany ihany anefa izao asa fikarohana izao. Tsy ny tononkalon’ny mpanoratra rehetra akory no nampiasainay tamin’ity asa ity. Raha ny nambaran’ny mpanoratra taminay mantsy, dia efa mahatratra hatrany amin’ny eninjato ireo tononkalony. Ny tononkalo tao anatin’ny boky Ronjom-bazo, Fanalahidy ary Ranontany ihany no akora niaingana. Ny tononkalo tao anatin’ireo aza dia mbola nisy ny najanona noho izy ireo tsy mifandray amin’ny lohahevitra hohadihadiana. Miisa 75 ny fitambaran’ireo tononkalo nokirakiraina.

18

FIZARANA VOALOHANY: NY MOMBAMOMBA NY MPANORATRA SY IREO HERY NAMOLAVOLA AZY HIHIRA NY FITIAVANA

19

I- NY MOMBAMOMBA NY MPANORATRA SY IREO HERY NAMOLAVOLA AZY HIHIRA NY FITIAVANA

Tsara ny mahafantatra ny mombamomba ny mpanoratra raha toa ka handinika sy hanadihady ny asa sorany. Ny fahalalana ny tantaram-piainany mantsy dia mitarika amin’ny fahazoana sy fahatakarana ny hevitra tiany havoitra ao anatin’ny asa sorany. Manamafy izany ny mpandinika iray, ka ambarany fa “mifamatotra akaiky ny fiainan’ny mpanoratra sy ny hevitra arosony”9. Mba hamahavahana izany, dia ireto toe- javatra manaraka ireto no hodinihana: ny fiainany teo anivon’ny ankohonany sy ny fianakaviany, ny fanabeazana azony teo anivon’ny fiarahamonina, ary farany hasian- teny ny firotsahany teo amin’ny sehatry ny haisoratra.

1-1 Ny fiainany teo anivon’ny ankohonana sy ny fianakaviana

Tsy hafa fa toy ny olon-drehetra ihany ny mpanoratra. Hojerena mifanesy ny mombamomba ny ankohonana nisy azy, ny fiaviany, ary ireo dingam-piainana nolalovany : fahazazana, fahatanorana, fiainan-tokantrano.

1-1-1 ny ankohonana nisy azy

Raha eo amin’ny sehatry ny haisoratra, dia fantatry ny maro amin’ny hoe RADO RAMAHERISON izy. Ny anarany amin’ny maha olom-pirenena azy anefa dia RAMAHERISON Radoarijaona. Efatra mianadahy izy ireo no mpiray tampo: 2 lahy, 2 vavy ka izy no lahimatoa amin’izany. Ireto avy ireo iray tampo aminy:

- RAMAHERISON Ony - RAMAHERISON Rivoarinjaka - RAMAHERISON Liva Hanitriniaina

Ny 06 Aprily 1978 izy no tonga teto an-tany. Tao Tsarahonenana Itaosy no toerana nahaterahany.

RAMAHERISON Hans Olivier no Ray niteraka an’i RADO RAMAHERISON. Adjoint de Service Principal misotro ronono izy. Ny kitapo nifonosany kosa dia RAHOLIMALALARIVELO Simonette izay mpitantana orinasa ( Gérante).

9 WEBER, Genèse de l’œuvre poétique, Editions Gallimard, Paris, 1960 “ (…) il existe un rapport essentiel entre le thème du poète et sa vie, … “, tak.507 20

1-1-2 ny fiaviany

Samy manana ny fiaviany avokoa na ilay antsoina amin’ny teny mahazatra hoe tanindrazana ny olombelona. Avy etsy Amboniloha (Antananarivo V) ny avy amin’ny lafin-drain’ i RADO RAMAHERISON. Itompokolahy RAMAHERISON Elija (1916- 1951) no anaran’ny raibeny avy amin’ny rainy. Nampianatra Sekoly Alahady tao amin’ny F.J.K.M Amparibe Famonjena izy fony fahavelony. Itompokovavy RAVAOARISOA Jeannette (1916-1995) kosa no renibeny avy amin’ny rainy; avy eny Ambatofotsy Avaradrano.Nanoratra izy io, saingy tsy nivoaka noho ny fiheverana tamin’izany fa vehivavy ratsy fitondran-tena ny vehivavy hoe mpanoratra. Nanana talenta tamin’ny hosodoko ihany koa ity renibeny ity, ary anisan’ny nilalao tao anatin’ny tantara “Tongotra akoho” nandeha tao amin’ny onjam-peom-pirenena malagasy.

Itompokolahy RAZAFINDRASOLO na dadabe Radany (1921-2014) no raibeny avy amin’ny reniny. Avy etsy Ambohitrimanjaka no fiaviany. Diakona tamin’ny F.J.K.M izy.

Itompokovavy RAVAOARIVELO Nöeline (1921-2000) no renibeny avy amin’ny reniny . Avy etsy Ambohitrimanjaka ihany koa izy, ary loholona tamin’ny F.J.K.M.

1-1-3 ireo dingam-piainana nolalovany

Dingana maromaro no andalovana mandritra ny fiainana maha olombelona: ny fahazazana, ny fahatanorana ary ny fidirana amin’ny sehatry ny tokantrano.

a- ny fahazazany

Toy ny ankizy rehetra, dia nankafy lalao i RADO RAMAHERISON. Anisan’ny nankafiziny tamin’izany ny manao baolina kitra, manao fanenjika sy ankiafina, ary ny nampiady ganifa. Fony mbola zaza izy, dia efa nozarina hanao raharaha, na raharahan’ankizilahy na raharahan’ankizivavy. Rehefa tonga ny fialan-tsasatra, dia entina any ambanivohitra izy (Ambohimandray Mahitsy). Mahazo kilalao sy akanjo ary kiraro vaovao rehefa amin’ny fotoana sahaza izany. Tsy nampihantaina be izy, kanefa koa tsy dia nihafy be. Tamin’ny fahazazany, dia tsy nionona tamin’ny kilalao novidiana izy, fa namorona ihany koa (tsipy lavaka, zoera, jiro kapoaka, fiara kapoaka, tsipoapoaka…)

21

Notezaina tamin’ny fanarahana fitsipika izy, satria tena hentitra tamin’izany ny rainy. Nanamarika ny fahazazany koa ny fianarany Sekoly Alahady nanomboka ny dingana fahenina ka hatramin’ny sokajy olon-dehibe. Nadinina azy ny toriteny isaky ny avy mivavaka mba hahalalan’ny rainy na nihaino izy na tsia tany am-piangonana. Anisan’ny nampiavaka an’i RADO RAMAHERISON tamin’ireo telo mianadahy iray tampo aminy ny nampianarana azy hanao adidy mandrakariva teo anivon’ny fianakaviana, na avy amin’ny lafin-drainy izany, na avy amin’ny lafin-dreniny, satria lahimatoa moa izy. Entin’ny ray aman-dreniny mamonjy fivoriam-pianakaviana izy, ary rehefa misy famangiana manjo dia mandeha ihany koa.

b- ny fahatanorany

Nanaraka an’i RADO RAMAHERISON teny foana ny fanaovana adidy. Toy ny tanora rehetra ihany koa anefa, dia mba nanana ny fialamboliny izy, ary mba nanana izay ditraditra kely ihany koa: mafimafy loha, mamalivaly…saingy tsy tao anatin’ny fisotroan-toaka na fifohana sigara kosa, eny fa na dia hoe nanandrankandrana fotsiny aza. Nanana izay mba nofinofiny ihany koa ( ho « Ingénieur en éléctronique » na “Ingénieur agronome”) satria te handimby ny rainy izay “Adjoint de service” tao amin’ny Ministeran’ny Fambolena izy. Izany no nahatonga azy hisisika hanao ny sokajy C tamin’ny bakalôrea na tokony ho sokajy A aza. Nanala izany intelo izy vao afaka. Anisan’ny nanefy ny fiainany koa ny fampianaran’i Frera Alban azy fony izy nianatra tao amin’ny Saint Joseph Andohalo (1993-1994) ; kilasy faharoa izy tamin’izany. Katesizy no nampianarina tamin’izany (ora 2 isan-kerinandro), kanefa raha ny marina, hoy izy dia fanabeazana tanora hahatsangy no ary mihitsy no namolavolany anay. Araka ny nambarany ihany koa, dia teo amin’ny faha 19 taonany no nanamarika indrindra ny hatanorany. Hoy indrindra izy: “teo amin’ny faha-19 taonako (Novambra 1997) no nanamarika indrindra ny fahatanorako: nanomboka narary i Dada teo (tapaka lalan-dra). Mbola nandray vola izy tamin’izany, saingy tsy afaka nanao ny adidiny rehetra intsony. Na izaho aza tsy mbola afaka bakalôrea akory. Nifofotra i Mama nanao izay hahatafita anay efatra mianadahy. Io no tsy maintsy nanarahako fianarana ampitain-davitra taty aoriana, satria i Dada tsy maintsy nanana mpiandry tao an-trano. I Mama mbola niasa tamin’izany .Tsy natao hampiferinaina izany, satria nanefy ahy sahady hiatrika ny fiainana.

22

I Mama nitsabo an’i Dada tany amin’ny Centre thermal tany Antsirabe sy teny Amboniloha tao amin’ny tranon-drazana fa teny no akaikin’ny dokotera nanara-maso ny fahasalamany, izahay efatra mianadahy kosa tety Ankadindramamy. Nametrahan’ny ray aman-dreny vola fotsiny izaho sy ny anabaviko manarakaraka ahy dia izahay ihany no nampandeha ny fiainanay”10

d- ny tokantranony

Anisan’ny tanjona eo amin’ny fitiavan’olon-droa ny fanorenana tokantrano. Ny 02 Septambra 2012 no nanomboka niaraka i RADO RAMAHERISON sy i FELAHASINA Nofy Nambinintsoa. Ny 26 Oktôbra 2013 no nanaovana ny vodiondrin’izy ireo, ary ny 04 Oktôbra 2014 no nanamasinana ny mariaziny tao amin’ny F.J.K.M Amboniloha Jerosalemako ary amin’izao dia efa niteraka iray izy ireo dia RAMAHERISON Dindoiankinana Maradona Ambinintsoa (teraka ny 05 Jona 2015). Marihana fa efa nanambady izy ny volana Aogositra 2007, saingy niafara tamin’ny fisaraham- panambadiana izany. Hoy indrindra izy milaza ny momba izany:” efa nanambady aho ny volana Aogositra 2007, saingy niafara tamin’ny fisarahana izany. Nalahelo aho, saingy noraisiko ho fifaliana ho ahy, ary nentiko nampionon-tena sy nanamboarako ny saiko ny hoe: raha tsy nanambady tamin’iny aho tsy ho niteraka mihitsy ny zanako lahimatoa dia RAMAHERISON Dimby Mandaniaina Mampianina (teraka ny 13 May 2008). Nametraka aho mantsy teo amin’ny fiainako fa 30 taona vao hiteraka , dia tahaka an’i Dada izay 30 taona ihany koa vao niteraka ahy; ary izaho tsy hoe hanambady satria mitoe-jaza ny olona miaraka amiko fa izaho hanambady satria mifankatia izahay, ary aorian’izay fanambadiana izay aho vao miteraka”.11

Araka ny nambaran’ny mpanoratra ihany koa, dia manaja ny olona miaraka aminy izy. Hoy indrindra izy: “Rehefa tsy misotro sy tsy mifoka, hono, dia tia vehivavy. Izaho tsy nampirafy, tsy mampirafy, ary tsy hampirafy, satria nobeazin’i Dada hoe manana anabavy ialahy ka tandremo ny zanak’olona”.12

Fa ankoatra ny fiainana eo anivon’ny ankohonana sy ny fianakaviana, dia mamolavola ny maha olona ihany koa ny fanabeazana azo eo anivon’ny fiarahamonina.

10 Resaka nifanaovana tamin’ny mpanoratra tao an-tokantranony ny Sabotsy 07 Febroary 2015 11 Resaka nifanaovana tamin’i RADO RAMAHERISON tao an-tokantranony ny Sabotsy 21 Febroary 2015 12 Fanampim-panazavana nalefan’ny mpanoratra tamin’ny hafatra an-telefaonina ny 10 Marsa 2015 tamin’ny 6 ora hariva 23

1-2 Ny fanabeazana azony teo anivon’ny fiarahamonina

Ny fiarahamonina tiana hambara eto dia ny sekoly, ny fiangonana ary ny sehatry ny asa aman-draharaha.

“Ny fianarana no lova tsara indrindra” hoy ny fitenenana. Tsy mitandro vola aman- karena sy hasasarana ny ray aman-dreny amin’ny fampianarana ny zanany any an- tsekoly. Anisan’ireny ny ray aman-drenin’i RADO RAMAHERISON. Ahitana taratra io fikirizany hampiana-janaka io ny ampahany amin’ny tononkalon’i RADO RAMAHERISON hoe: “N’inona n’inona ho foana” ( V.A lah.43, and.1)

“N’inona n’inona tsy hisy

Ialahy tsy mahazo miato, tsy mahazo miato mihitsy

amin’io fianarana io

Fa ny ahy aleoko letsy

tsy manana tahiry an’arivo sy aman’hetsy

toa izay ialahy izay sombinaiko

no mbola hitondra indray ireo vesatra lanjaiko”.

Nazoto nandray andraikitra ity poeta ity fony mbola nianatra. Mpitarika tao an-dakilasy (chef de classe) foana izy nanomboka ny taona fahadimy (T5) teny amin’ny ambaratonga fototra ka hatramin’ny kilasy famaranana.

Toy izao ny dingana nolalovany teo amin'ny sehatry ny fampianarana:

 Taona 1982-1983: nanomboka nianatra tao amin’ny sekoly tsy miankina iray tao Tsaralalàna (Ecole privée Sully).  Taona 1983-1988: Sekoly Imboasalama Ampasampito:tao amin’ity sekoly ity no nahazoany ny mari-pahaizana C.E.P.E.  Taona 1988-1989: Sekoly Hoavintsika Ambohidahy.  Taona 1989-1993: C.E.G Avaradrova: nahazoany ny mari-pahaizana B.E.P.C.  Taona 1993-1994: Saint François Xavier Antanimena.  1995-1998 : Lycée Nanisana : nahazoany ny mari-pahaizana bakalôrea sokajy C.

24

 Taona 2001-2004 : C.N.T.E.MAD Ankadifotsy. Nahazoany ny D.T.S informatique de gestion.

1-2-1 teo anivon’ny fiangonana

Ankoatra ny fanabeazana any an-tsekoly, izay misahana indrindra ny lafiny ara-tsaina amin’ny ankapobeny, dia mitana anjara toerana lehibe amin’ny famolavolana ny maha olona ihany koa ny any am-piangonana, mikolokolo ny ara-panahin’ny tsirairay.

Raha ny fanadihadiana hita tany aloha, (ny renibeny avy amin’ny rainy no nanolotra azy tamin’ny Sakramentan’ny Batisa ny 25 Desambra 1980 sy ny maha taranaka Loholona sy Diakona azy avy amin’ny reniny) no anaovana tsoa-kevitra dia azo heverina fa taranak’olona kristianina i RADO RAMAHERISON. Nisy dindo sy akony teo aminy ary nahatonga azy ho nafana fo tamin’ny fanompoana an’Andriamanitra izany ka ny taona 2004 dia niditra ho katekomena izy. Nanolo-tena sy lany ho mpitahiry vola izy nandritra izany.Mitana andraikitra eo anivon’ny fiangonana ihany koa izy ankoatra ny maha Mpandray ny Fanasan’ny Tompo azy satria Diakona ao amin’ny F.J.K.M Amboniloha Jerosalemako nanomboka ny taona 2007 ka hatramin’izao.

Efa mpandini-bolan’ny fitandremana koa izy ny taona 2011 fony izy Diakona fiandry saingy ny taona 2012 dia niverina ho diakona indray.

1-2-2 ny asa aman-draharaha nosahaniny

Mitana anjara toerana lehibe eo amin’ny fampivelarana ny maha olona koa ny asa aman-draharaha iandraiketana. Ny horesahana eto,dia ny asa efa nataon’ity mpanoratra ity sy ny andraikiny hafa ivelan’ny asa fivelomany.

Ny asany

Ireto avy ny asa efa niandraiketan’i RADO RAMAHERISON sy ny taona nanaovany izany:

 Aprily-May 2003: Mpiasa tsy raikitra (Employé temporaire) tao amin’ny CITY EXPRESS Antsahavola.

25

 Septambra 2004-Desambra 2005: Mpitantana (Gestionnaire) tao amin’ny orinasa iray (Société CREATOR- Andranonahoatra Itaosy).  Febroary 2006-May 2007 : Tomponandraikitra misahana ny fanaovana sora-milina tao amin’ny orinasa EZAKA tao Alarobia Amboniloha (Responsable de saisie : Entreprise EZAKA Alarobia Amboniloha).  Jolay 2008- Jona 2009 : Mpanara-maso ny lafiny infôrmatika tao amin’ny I.N.STAT/D.D.S.S (Contrôleur Informatique : I.N.STAT/D.D.S.S).  Aogositra 2009-Jona 2010 : (Agent numériseur de cartes censitaires : I.N.STAT/D.D.S.S).  Nanomboka ny volana May 2011 : (Chargé d’étude :M.D.N/S.G/D.R.H/S.EFF)

Hita amin’izao àry fa efa maromaro ihany ny asa nataon’i RADO RAMAHERISON. Ny hojerena manaraka kosa indray, dia ny andraikiny hafa ivelan’ny asa fivelomany.

Ny andraikitra hafa efa nosahaniny ivelan’ny asa fivelomany :  Ny taona 2000 no voaray ho isan’ny MPIRAIFARIBOLANA i RADO RAMAHERISON.  Ny 12 Septambra 2010 izy no voafidy ho filohan’ny FARIBOLANA SANDRATRA- Sampana Antananarivo, ary miandraikitra ihany koa ny rafitra nasionaly.  Voafidy ho filohan’ny Faribolana Sandratra-Sampana Antananarivo nandritra ny 02 taona indray izy ny 26 May 2013.  Mpikabary ihany koa ity mpanoratra ity, ary nivoaka tamin’izany fianarana kabary izany izy ny taona 2008. Fiofanana nokarakarain’ny S.L.K tao amin’ny F.J.K.M Alarobia Amboniloha (Andiany “Santatra”) no narahiny.  Mpikambana ao amin’ny O.M.D.A ihany koa izy.  Nanangana ny vondrona HAISORATRA sy HAIVOLANA (fesiboky) izy.

26

 Fa mbola izy koa no nampiditra ny “ZARA FANAHY” (TAKALO KALO: ny 27 Jolay 2001 tao amin’ny C.G.M no niandohany) ho lasa hetsika fanaon’ny Faribolana Sandratra.  Nandray anjara tamin’ny hetsika “L’automne de la poésie” tao amin’ny C.C.A.C ny 13,16 Martsa 2002.  Nandray anjara tamin’ny hetsika “Boky sy soratra” nokarakarain’ny Ministeran’ny Kolontsaina sy ny Serasera ho fankalazana ny 23 Aprily (Andro iraisam-pirenena ho an’ny boky sy ny zon’ny mpamorona) ny 22-27 Aprily 2002.  Ny 01 Novambra 2002 : nandray anjara tamin’ny hetsika “Ritsoky ny lasa-Tsy maty fa matory-Fohazintsika ny asany” teny amin’ny Espace Eldorado.  Ny 30 Jona 2003 : nandray anjara tamin’ny loabary an-dasy hoe : « Ny tontolon’ny teny malagasy eo amin’ny tontolon’ny fampianarana » nokarakarain’ny sokajy fahefatry ny Akademia malagasy (Hairaha ampiharina).  Ny 13-18 Oktôbra 2003 : nandray anjara tamin’ny hetsika nokarakarain’ny toeram-pampianarana ambony misahana ny Teny sy Haisoratra ary Hairaha momba ny olombelona, nankalazana ny faha 45 taonany, ny Faribolana Sandratra. Varotra fampirantiana tao amin’ny tranombokin’ny Anjerimanontolo no nanehoana izany.  Novambra 2006 : nandray anjara tamin’ny fifaninanana nokarakarain’ny terak’Itompokolahy RAINIZAFIMANGA niompana tamin’ny lohahevitra hoe : “Fanantenana”.  07-15 Desambra 2007: nandray anjara tamin’ny fampirantiana nokarakarain’ny Faribolana Sandratra tao amin’ny IVOKOLO ho fankalazana ny fahafolo taonan’ny gazety Ambioka.  02-06 Jona 2009: nandray anjara tamin’ny fampirantiana ho fankalazana ny faha 20 taonan’ny Faribolana Sandratra tao amin’ny Tahala Rarihasina Analakely.  12 Novambra 2010 : nandray anjara tamin’ny « atrikasa momba ny asan’ny mpanakanto sy ny paikady hiadiana amin’ny hosoka » nokarakarain’ny Ministeran’ny Kolontsaina sy ny 27

Vakoka tao amin’ny foiben-toerany ao amin’ny tranombokim- pirenena Anosy.  20 Desambra 2011: nanangana ny vondrona OMBAY MITADY NY VERY (fesiboky).  23 Aprily 2012: nanatanteraka velakevitra niaraka tamin’Atoa RABENORO Claude (Filohan’ny mpamoaka Boky eto Madagasikara) sy Atoa Désiré Philippe RAMAKAVELO (Madera) sy Rtoa Huguette RASOAMANANORO (Filohan’ny Mpivaro-boky eto Madagasikara) ary Atoa RANJARIVO Haja (Talen’ny O.M.D.A) nokarakarain’ny Foiben’ny Teny sy ny Soratra ao amin’ny Ministeran’ny Kolontsaina sy ny Vakoka niompana tamin’ny lohahevitra hoe: “Ny boky sy ny Fampandrosoana ny Asasoratra” tao amin’ny Tranombokim- pirenena Anosy ho fanamarihana ny 23 Aprily ( andro eran-tany momba ny Boky sy ny Zon’ny mpamorona).  08 Febroary 2013: nanapa-kevitra ny hanolotra tolokevitra ho fanitsiana ny Rakibolana Rakipahalalana navoakan’ny Akademia malagasy noho ny filazan-dRtoa Juliette RATSIMANDRAVA, Filohan’ny sokajy voalohany Haikanto sy Hailaza ao amin’ny Akademia malagasy , fa na olon-tsotra aza dia mahazo manao izany koa nandritra ny fivorian’io sokajy io ny 07 Febroary 2013.Teraka nanomboka teo ny “Voankazo lo”, izay fanitsiana ireo diso hita teny rehetra teny, sy tao anatin’ireo gazety mivoaka isanandro.

1-3 Ny firotsahany teo amin’ny sehatry ny literatiora Maro ireo lafin-javatra mamolavola ny maha mpanoratra. Misy fiantraikany eo amin’ny asa soratra vokarina ireny lafin-javatra ireny. Manana fiheverana tsy mifanalavitra amin’izany i Hyppolite TAINE araka ny ahitana azy ao amin’ny boky LAGARDE & MICHARD manao hoe: “voka-javatra avokoa na ny fientanam-pon’ny olombelona, na ny heviny, na ny retsi-panahiny fa tsy tongatonga ho azy ao aminy akory”.13Mba hahafahana manadihady sy mamahavaha ny amin’ny firotsahan’i RADO

13 « Tous les sentiments, toutes les idées, tous les états de l’âme humaine sont des produits », in Le XIXe S, Collection Lagarde et Michard, Editions BORDAS, 1969 , tak 69 . 28

RAMAHERISON teo amin’ny sehatry ny literatiora, dia tsara raha horesahana ny amin’ny fitantanan’ny poeta hafa azy avy ; manaraka izany holazalazaina ny hetsika ara-java-kanto nandraisany anjara, ary farany hasian-teny ny fifaneraserany tamin’ny haino aman-jery samihafa. 1-3-1 ny fitantanan’ny poeta hafa Ny taona 1994 no nanomboka nanoratra i RADO RAMAHERISON, izany hoe, teo amin’ny faha 16 taonany. R.R.J no solona anarana nentiny tamin’izany (RAMAHERISON RADOARIJAONA). Ireto asa soratra telo ireto, izay samy nianarany tao amin’ny T11, fony izy nianatra tao amin’ny C.S.F.X Antanimena no namoha ny talenta natory tao anatiny :

« Nofy sa… ? » (Lolo RAJOHNS, Fandrosoam- baovao, taona IV, lah 141, 13 Jiona 1934) “Ilay Rajako namadika ny namany” (Jean NARIVONY, Amboaran-tononkalo, tak. 171) “Malagasy mankany”(Randja ZANAMIHOATRA, Vainafo Tononkira , tak 22-23)

Nanampy ireo taty aoriana ny “Hafatra” (in Dinitra, tak 75-76) sy ny ampahany amin’ny “Hanoratra” ( in Zo, tak 139-140), ilay manao hoe:

“Hanoratra ihany aho ombieny ombieny

Hitory ny tanjona izay itolomako

Fa raha nahalala ka dia tsy niteny

Dia inona foana no nahavelomako”? ary koa ny ampahany amin’ny “Soraty” (in Dinitra, tak 138-139-140) ilay manao hoe:

“Soraty ihany

hatrany hatrany

n’inona n’inona miseho, fa ny ranomaintintsika

tsy navela mba ho ritra

tsy natao hatsora volo 29

tsy azo avela ho bobongolo

raha mbola misy tebiteby sy ahiahy manelontselona

ny fiainan’ny vahoaka sy ny zon’olombelona

Asa izany sady ngeza!

ka soraty! Mahereza”!

Tononkalo nosoratan’i Rado na ANDRIAMANANTENA Georges (01/10/1923 - 15/09/2008) avokoa ireo, izay mpanoratra anisan’ny ankafizin’i RADO RAMAHERISON ankoatra ireo MPIRAIFARIBOLANA aminy.

Ry (15/11/1951 - 27/11/2010) sy SOLOFO José (09/04/1947 - 13/02/2014), ary i Lydiary (03/02/1947 - 09/09/2012), no anisan’ireo mpanoratra nitari- dalana sy nanoro hevitra an’i RADO RAMAHERISON. Mpikambana ao amin’ny Faribolana Sandratra daholo izy ireo. Ny 28 May 2000 no voaray ho isan’ny Mpiraifaribolana izy, ary tamin’io no nanatrehany voalohany ny fivoriana isam- bolan’ny Faribolana Sandratra, rehefa nilazan’i Lydiary fa azo ekena ny fangatahany hiditra ho MPIRAIFARIBOLANA taorian’ny fandinihana ireto asa sorany ireto (asa soratra mbola tsy nivoaka boky):

 “Antenao sy irio”(20 Martsa 2000)  “Mbola handresy”(20 Febroary 2000)  “Asanao ho tia ny ratsy”(19 Martsa 2000)  “Mba ho ahy irery”(18 Martsa 2000)  “Ny sorany”(17 Martsa 2000)

Hoy i Lydiary tamin’izany: “Talenta afaka hivelatra ny anao”. Nanampy ihany koa i Irà nanao hoe: “Tsara ireny fa mandàlina hatrany”.

Nanomboka teo dia nazoto nividy boky sy gazety tonta, ary nanangona tahirin-kevitra isan-karazany izy.

Fa ankoatra ireo poeta voalaza eo ambony ireo, dia nampivelatra sy nampisandrahaka ny talentany koa ny fifaneraserany tamin’ireo poeta indray nihira taminy rehefa misy hetsika atao, toy ny “Alim-betso” izany. Anisan’ireny ry Tahirintsoa, Mahefa, Meva, sns. 30

Ny poeta nitari-dalana sy nanampy ny mpanoratra, ka nampiroborobo ny talentany no noresahana teo. Maro koa ny hetsika ara-java-kanto nandraisany anjara.

1-3-2 ny hetsika ara-java-kanto nandraisany anjara

Anisan’ny poeta mafana fo amin’ny fandraisana anjara i RADO RAMAHERISON rehefa misy hetsika ataon’ny Faribolana Sandratra, na hetsika hafa any ivelany. Ireto misy santionany amin’ireny hetsika nandraisany anjara ireny:

 28 Febroary 2001: Nanatrika ny hetsika “Mahay miantsa” tao amin’ny Tranombokom-pirenena Anosy.Tao no niantsa voalohany ilay tononkalony hoe: “Mahandrasa kely” izy (V.A, lah.13). Io tononkalo io no nambarany fa anisan’ny ankafiziny sy mahafinaritra azy indrindra.  14 Jona 2001: Niantsa ny tononkalo hoe: “Mahandrasa kely” nandritra ny fanokafana ny hetsika « Festival Itinérant de la Poésie en Afrique » izy.  15 Jona 2001 : Nandray anjara tamin’ny antsan-tononkalo an-tsekoly (L.J.J.R, COURS ARCADES) niaraka tamin’ireo mpanoratra namany mpiraifaribolana aminy sy vahiny (Ajo, Mahefa, Elie RAJAONARISON sns).  16-17 Jona : Nandray anjara tamin’ny “Alim-betso” teny Lazaina sy ny Kalo Takariva teny Ambatofotsy Avaradrano .  20 Jona 2001 : Nandray anjara tamin’ny « Sandratra miantsa an’i J.J.RABEARIVELO ».  19 Desambra 2001 : Nandray anjara tamin’ny hetsika nokarakarain’ny Foibe misahana ny Vakoka sy ny Lovantsaina tao amin’ny Tranombokim-pirenena, izay nankalazana ny fahazato taona nahaterahan’i Dokotera Elie RAHAROLAHY na HARIOLEY (11/12/1901-25/01/1949).  25 Janoary 2006 : Niantsa ilay tononkalony hoe : « Vaha vona » (V.A.lah.14) nandritra ny antsam-paribolana “Tsikalakalan-tononkalo” tao amin’ny C.G.M izy.  14 Aprily 2007: Niantsa ireto tononkalo roa ireto: “Maninona anefa”? (Rado, in Zo, tak 110) sy ny “Kanjo” (Rado, in Zo , tak 171) nandritra 31

ny hetsika “Tolo-tanana ho an’i Rado” tao amin’ny Tranompokonolona Analakely  Aogositra 2011: Anisan’ireo niaraka tamin’i BRENTCH MBOLAMASOANDRO sy RAMAROKOTO ROSA nitsara ny fifaninanana tononkalo nokarakarain’ny Radio Fanambarana (Fandaharana “Kalo sy bitsiky ny fanahy”).

Ireto avy ireo nahazo voalohany isaky ny lohahevitra tamin’izany:

 Lohahevitra: Finoana ny herin’Andriamanitra

“Hitako ny lalan-tsara” nosoratan-dRAHARINIARIVO Malalasoa Jacqueline.

 Lohahevitra: Fanompoana an’Andriamanitra

“Ilay voadinao” nosoratan’i Miora Navalona HIARISOA

 Lohahevitra: Fibebahana

“Fo mibebaka” nosoratan-dRAHARINJANAHARY Mirana Hortensia

Ireto kosa dia velakevitra sy/na fikarohana manokana nataony:

-Novambra 2011: Ny haisoratra ankehitriny

-Novambra 2011: Mpanabe ve ny mpanoratra?

-Febroary 2011: Mpamaky toko fahatelo (nivoaka tao amin’ny gazety Ambioka 35-36)

Ireto kosa kosa dia fifaninanana nataony nahazoany loka:

-25 Jona 1996: Nahazo ny loka voalohany tamin’ny fifaninanana nokarakarain’ny “Association MIKAJY” momba ny ankizy sy ny herisetra (L’enfant et la violence) tao amin’ny “Paroisse Internationale” Andohalo. Lahatsoratra fanadihadiana no nataony tamin’io. Tsy nandray anjara tamin’ny sokajy tononkalo izy satria tsapany fa tsy ho tafita ny hevitra sasany. Ankoatra ny fanoratana tononkalo mantsy, dia manoratra RIANKALO sy LAHATSORATRA FAMAKAFAKANA koa izy. Araka ny

32 nambarany moa, dia tsy voatahiriny io lahatsoratra io noho ny fahaverezan’ny dika mitovy.

-30 Aprily 1997: Nahazo ny loka fahavalo nandritra ny fankalazana ny andron’ny boky sy ny zon’ny mpamorona (23 Aprily) tao amin’ny Lycée Nanisana. Nandritra io fotoana io no nahafantarany an’Atoa Nalisoa RAVALITERA voalohany sy ny fisian’ny Faribolan’ny mpanoratra Sandratra.

Notoloran’ny Ministeran’ny Kolontsaina sy ny Vakoka ny mari-boninahitra « Chevalier de l’Ordre des Arts, des Lettres et de la Culture » izy ny 28 Septambra 2013.

Fa ankoatra ny fandraisan’ny mpanoratra anjara amin’ny hetsika ara-java-kanto maro samihafa dia eo koa ny fiseraserany amin’ny haino aman-jery isan-karazany.

1-3-3 ny fifaneraserany tamin’ny haino aman-jery isan-karazany

Maro ireo onjam-peo manome vahana sy miresaka ny tontolon’ny haisoratra. Tsy nisalasala i RADO RAMAHERISON nivahiny tamin’ireny onjam-peo ireny, nitafatafa sy niresadresaka manodidina ny soratra . Misy amin’ireny onjam-peo ireny ihany koa moa mampiasa ny tononkalony handravahany ny fandaharana. Indreto misy santionany amin’izany:

01 Jolay 1999: Tafatafa niarahany tamin’Atoa Heritiana RAMAMONJISOA, izay mpiandraikitra ny fandaharana “Bitsiky ny Ravinala”, sady Talen’ny onjam-peo RAVINALA. Io no nambarany fa fivahiniany voalohany tamin’ny onjam-peo. 05 Aogositra 2001: Nivahiny tao amin’ny fandaharana “Embona sy tsiahy”, izay niandraiketan’i Hery Jonathan tao amin’ny Radio ACEEM. 29 Desambra 2001: Voafantin’ny fandaharana “Felam-boninkazo” tao amin’ny Radio ACEEM ho tsara indrindra ilay tononkalony mitondra ny lohateny hoe: “Saino tsara vao mitia” (V.A.lah.49) 20 Marsa 2002: Nivahiny tao amin’ny fandaharana “Tanisa safidy” tao amin’ny Radio Antsiva niresahana ny “Poezia malagasy” niaraka tamin’i TSIMA sy i RINDRA, ary i Julien KASSIM (Tomponandraikitra) 05 Aprily 2003: Nivahiny tamin”ny fandaharana “Tsikeram-bakoka” tao amin’ny Radio Fahazavana

33

22 Aprily 2006: Nivahiny niaraka tamin’i Meva, nandritra ny fandaharana “Apenjiky” tao amin’ny Radio Fahazavana, niresahana tamin’Atoa Lolo RATSIMBA sy Atoa Tiburche SOAVINARIVO momba ny “Literatiora sy ny andro iraisam-pirenena ho an’ny boky sy ny zon’ny mpamorona” 24 Jolay 2006: Nivahiny tao amin’ilay fandaharana hoe: “Boky: soratra sy teny, raiso ka vakio” tao amin’ny onjam-peom-pirenena malagasy, notontosain’Atoa Ulrich ANDRIAMANANTENA.

Fehin’ny fizarana voalohany:

Ny fizarana voalohany no namahavahana ny mombamomba ny mpanoratra sy ireo hery namolavola azy hihira ny fitiavana. Nojerena voalohany tamin’izany ny fiainany teo anivon’ny ankohonana sy ny fianakaviana; taorian’izay noresahana ny fanabeazana azony teo anivon’ny fiarahamonina, ary farany indrindra nasian-teny ny firotsahany teo amin’ny sehatry ny literatiora.

Raha iry voalohany no fehezina, dia tsapa fa nokolokoloina sy nobeazina tamin’ny fanarahana fitsipika ity mpanoratra ity, sady nozarina hanao adidy ihany koa tamin’ny fahazazany sy ny fahatanorany.

Raha ny fanabeazana azony teo anivon’ny fiarahamonina, dia hita fa novolavolaina tamin’ny sehatra maro izy: nobeazina tany an-tsekoly nandritra ny taona maro, notezaina teo anivon’ny fianakaviana kristianina, ary nitana andraikitra maro ankoatra ny asa fivelomany.

Teo amin’ny sehatry ny literatiora kosa, lafin-javatra maro samihafa no namolavola azy ka nahafahany nampivelatra ny talentany : ny fitantanan’ireo poeta hafa, ny fandraisany anjara tamin’ny hetsika ara-java-kanto, ary ny fifaneraserany tamin’ny haino aman-jery isan-karazany.

Tsara ny nahafantarana ireny rehetra ireny tany am-piandohana mba hahafahana miroso amin’ny fanakarana ny votoatin’ny asa soratra.

34

FIZARANA FAHAROA: IREO SEHATRA SAMIHAFA NIVETSOANY NY FITIAVANA

35

II-IREO SEHATRA SAMIHAFA NIVETSOANY NY FITIAVANA Manana anjara toerana lehibe eo amin’ny sehatry ny literatiora ny fitiavana. Samy mikalo sy mivetso azy io avokoa ny poeta amin’ny ankapobeny, na ny efa zokinjokiny, na ny tanora vao misondrotra. Ho an’i Ny Avana RAMANANTOANINA moa, dia ambarany fa toy ny “mpirahavavy” mihitsy ireo, ka miara-dalana hatrany. Hoy izy milaza izany:

“Literatiora sy fitiavana Mpirahavavy mifambomba Ka hamosaka finiavana Hiara-dia tsy ho momba14”

Raha zohina izany, dia tsy afa-misaraka amin’ny literatiora ny fitiavana. Mbola hamafisin’i Claude ROY izany manao hoe: “Ny fitiavana, dia anisan’ny tara-kevitra iray tsara ao amin’ny literatiora”.15

Maro amin’ny tononkalon’i RADO RAMAHERISON no miompana amin’ny fitiavana. Tsy mahagaga izany, satria ao anatin’ny fahatanorana tanteraka izy, ary ny olombelona rehetra, dia manana fo mitempo fitiavana avokoa. Maro ny sehatra nanehoany ny fivetsoana fitiavana, izay hojerena etsy ambany: eo amin’ny olon-droa mifankatia, eo amin’ny ankohonana sy ny fianakaviana, eo amin’ny fiarahamonina sy ny tanindrazana.

2-1 Eo amin’ny olon-droa mifankatia Mialoha ny hijerena ny fitsirin’ny fitiavana sy ny fivelarany, dia tsara raha omena aloha ny famaritana azy. 2-1-1 ny antsoina hoe fitiavana Famaritana nataon’ny sokajin’olona roa no horaisina eto, dia ny an’ny mpandinika andaniny, ary ny an’ny mpanoratra ankilany.

14 FIMMTEMA, Amboaram-pahatsiarovana Ny Avana RAMANANTOANINA, Université d’Antananarivo, ENS, 21 Jolay 1990 15 (C) ROY, Le soleil du Romantisme, Editions Gallimard, Paris,1960, P. 177 : “L’amour est un bon sujet de Littérature” 36

2-1-1-1 ho an’ny mpandinika Anisan’ny mpandinika manome ny heviny mikasika ny antsoina hoe fitiavana i Régis RAJEMISA-RAOLISON. Ambarany fa ny fitiavana, dia : “firaketam-po amin-javatra, na olona iray, izay tiana ho an’ny tena, ary irina ho sambatra”16 Ho an’i LAROUSSE: Ny fitiavana dia: “fiontanam-po mitarika ny olona iray hifandray amin’ny iray hafa, fifikirana mafy amin’ny olona iray, amin’Andriamanitra, fankafizana fatratra zavatra iray.”17 Raha dinihina ireo famaritana roa ireo, dia hita fa miavaka tsara ny sehatra ampiasana ny teny hoe “fitiavana”: eo amin’ny olona samy olona, eo amin’ny olona sy Andriamanitra, ary eo amin’ny olona sy ny zavatra iray.

2-1-1-2 ho an’ny mpanoratra Ny fitiavana ho an’i RADO RAMAHERISON, dia fiaraha-miombon-dalana eo amin’ny olon-droa mifankatia, ka miara-miaritra izay zava-miseho mianjady eo amin’ny fiainana. Hoy izy milaza izany ao amin’ny tononkalony mitondra ny lohateny hoe : “Aza manontany akory” ( V.A.lah.25, and.2) “Aza manontany akory hoe nahoana ianao no tiako Fa ny valiny dia tsotra: ianao irery ihany no maharaka ny diako?” Aminy izany, matoa ny olona roa tafaraka, dia vonona ny tsy hifanary na amin’ny mora na amin’ ny sarotra, na mangidy na mamy. Ny mahazo ny andaniny, dia miantraika amin’ny ankilany koa. Raha izay ny famaritan’ny mpanoratra sy ny mpandinika ny antsoina hoe fitiavana, dia horesahana manaraka indray ny fitsiriny. 2-1-2 Ny fitsiriny Samy manana ny tantarany ny olon-droa mifankatia raha vao nanomboka niaraka izy ireo. Inona àry ireo singan-javatra mety hampitsiry ny fitiavana? 2-1-2-1 Ireo singan-javatra mety hampitsiry ny fitiavana Tsy mitovy ireo singan-javatra mety hampitsiry ny fitiavana eo amin’ny tsirairay. Ho an’i RADO RAMAHERISON, dia karazany roa no isehoany: ny endrika ivelan’ilay olona, ary ny toetra amam-panahiny.

16 Régis Rajemisa RAOLISON, Rakibolana malagasy, Editions Ambozontany Analamahitsy. Antananarivo, 2003 17 Dictionnaire Larousse, 1963, tak 38 : « Amour: élan physique qui porte un être humain vers un autre, dévotion envers une personne, une divinité, passion ou gout vif pour quelque chose » 37

a-ny endriny ivelany Amin’ny ankapobeny, ny manaitra ny tsirairay ka mahatonga azy hitia olona iray, dia ny zavatra hita ety ivelany. Babon’ireny izy; tsy mahatan-damba, ka manao izay fomba rehetra hahafahana miresaka amin’ilay olona. Anisan’izany i RADO RAMAHERISON. Ireto singan-javatra ireto no mampitsiry ny fitiavany: volo, hodi- tava, maso, molotra, famindra araka ny hita ao amin’ny tononkalony hoe : “Doka” “Tsy hoe manindrahindra Fa marina indrindra Izay nolazaiko teo

Ny volo tsotranao,lava sady ngaly Ny hodi-tavanao, malandina aoka izany Ny masonao mijery, mangamanga baribary Ny molotrao manify, efa mena avy hatrany (…) Ilay famindranao,mitsatotsatoka iny Raketiko ao an-tsaina, taloha sy ankehitriny”18

- ny volo

Hita eto fa anisan’ny ankafizin’i RADO RAMAHERISON ny mahita ny volon’ny olon- tiany lava sady mainty, ary fanampin’izay tsotra. « Ny volo tsotranao, lava sady ngaly » Ny volo tokoa mantsy dia singa iray maneho ny hatsaran-tarehin’ny tovovavy. Samy manana ny fomba hikarakarany ny volony ny andriambavilanitra tsirairay. Ao ny manapaka azy, misy ny mandoko azy, ary misy ny mandrandrana azy. Ho an’i , ny fahitana ny volon’ny tovovavy tsofin’ny rivotra fotsiny, dia efa ampy hampidoboka ny fony, ka mahatonga ny fitiavany hitsiry. “Tsofin-drivotra hiely ny volonao amin’izay Midoboka hoatra ny onja ery amin’izay ny fonay”19

18 VA.lah.5, and.1, and.2, and.4 19 Dox, Folihala, “Kintana mihintsana”, tak.58 38

- ny hodi-tava

Maro ny mety ho toetry ny hodi-tavan’ny tovovavy tsirairay: ao ireo zarazara hoditra, ao ny fotsy fihodirana, sns. Fa tsy dia manan-danja loatra amin’i RADO RAMAHERISON ireny. Ho azy, dia ny fahitana ny hodi-tavan’ny tovovavy mandimandina iny no tena mambambo azy.

“Ny hodi-tavanao malandina aoka izany”

- ny maso

Anisan’ny manintona ny tovolahy amin’ny tovovavy tokoa ny masony. Maro karazana ny mety ho endriky ny maso. Ao ny manana maso somary kelikely, ao ny baribary maso. Ny tovovavy sasany, dia mahavatra manaingo ny masony mihitsy amin’ny fanaovana manja-maso, fanalana volomaso. Ny an’i RADO RAMAHERISON, ny maso baribary somary manopy manga iny no tena ankafiziny.

“Ny masonao mijery mangamanga baribary”

- ny molotra

Singa iray manintona eny amin’ ny vehivavy koa ny molotra. Misy ny lehilahy faly aoka izany mahita ny molotry ny tovovavy midorehitra lokomena, satria mampihaingo azy moa iny lokomena iny. Anisan’ny manaitra an’i RADO RAMAHERISON koa io molotra io. Mahafinaritra azy ny mahita ny molotry ny vehivavy ilay manifinify iny.

“Ny molotrao manify efa mena avy hatrany”

- ny famindra

Samy manana ny fomba famindrany ny tsirairay. Ao ny midoladola rehefa mandeha, ao ny manao famindra maika dia maika. Irony vehivavy mitsatotsatoka famindra irony kosa no ankafizin’i RADO RAMAHERISON.

“Ilay famindranao mitsatotsatoka iny”

Ny endrika ivelany, izay manintona ka mampitsiry ny fitiavana no noresahana teo, fa ao ihany koa ny toetra amam-panahy.

39

b- ny toetra amam-panahy

Ankoatra ny endrika ety ivelany, dia manan-danja amin’ity mpanoratra ity koa ny toetra amam-panahin’ny vehivavy, ary voasarika avy hatrany izy amin’ny fahatsapana ny fananany toetra amam-panahy mahafinaritra. Hoy izy milaza izany ao amin’ny tononkalony.

“Lalina”

(…)

“Iangaviako ianao meteza re mba hino

Fa tsy dia ny bikanao na ny tenanao akory

No naharendrika ny foko, mila tsy hahitako tory

Fa ny toetranao indrindra, tinaratro imaso

Ny fanahinao indrindra, madio mangasohaso

Ary noho ireo indrindra no iangaviako etoana

Ny fitiavana mba ho ahy, izay andrasako eto foana”20

Zava-poana amin’ity mpanoratra ny endrika amam-bika raha tsy arahin’ny toetra amam-panahy. “Ny fanahy no olona” , hoy ny fitenenana. Ary amin’ny maha kristianina azy, dia mihevitra izy fa mety hamitaka ny hatsaran-tarehy. Babo ery ny fony eto mahita ny fanahin’ilay vehivavy madio aoka izany.

Maro araka izany ireo singan-javatra mety hampitsiry ny fitiavana. Koa rehefa mitsiry izy, dia tsara raha kolokoloina amin’ny alalan’ny fanehoam-pitiavana.

2-1-2-2 ny fomba enti-maneho fitiavana

Mila fikolokoloana ny fitiavana. Tsy ampy ny mitia fotsiny. Izay mahakolokolo no manana ny soa, hoy ny oha-pitenenana. Fomba iray hikoloana izany fitiavana izany ny fanehoana azy amin’ny olon-tiana. Ireto misy fanehoam-pitiavana aroson’ny mpanoratra: fizarana teny mamy, fanajana ny olon-tiana, fanomezan-danja ny olon-tiana manoloana ny hafa, fiarahana miresaka.

20 VA.lah.8, and.2 40

a- fizarana teny mamy

Zava-dehibe eo amin’ny olon-droa mifankatia ny fifampizarana teny mamy. Fanehoam- pitiavana azo heverina ho lehibe io. Azo antoka fa hangatsiaka ny fitiavana raha toa tsy mba misy teny mamy ifanaovana matetitetika . Raha i RADO RAMAHERISON , dia anisan’ny mpizara teny mamy ho an’ny olon-tiany izy. Hita izany ao amin’ny “Hitondra teny mamy”.

“Hitondra teny mamy ho eo an-dohafandrianao

fa mahatsiaro ny omaly

niarahana nanao.

Hitondra ihany koa hirana fitia

noho ny antony satria

mipololotra ao anaty

ireo fitia tsy mety maty

sy ireo angotingoty,

bitsika ivaivan’ny omaly takariva

hatramin’ny alina madiva”21

Rehefa eo am-pandriana miala sasatra iny, dia tsara raha mba mifampizara teny mamy ny mpifankatia mikasika ny zavatra niainana nahafinaritra. Mba ho fankasitrahana ny zava-bita koa no dikan’izany fihetsika izany.

Ahitana io fanehoana teny mamy io koa ny ampahany amin’ny tononkalony hoe: “Miondàna indray”

“Miondàna indray malala eto an-dohan-tratrako eto

mba handrenesanao ny hirahiram-poko

sy hampanaiky anao fa hatrizao aloha,hatreto

21 VA.lah.28, andl.1 hatramin’ny andl.10 41

dia tsy mbola miova ny fenitra ijoroako:

Tiako ianao.”22

Fitiavana tsy misy tahaka izao. Manamafy ny fitiavany an’ilay olon-tiana izy eto. Ny fanehoana amin’ny olon-tiana hoe “tiako ianao” , dia anisan’ny teny mamy ankafiziny tokoa, indrindra moa fa mbola arahina fifanakaikezana akaiky toy izao (fiondanana eo amin’ny tratra). Azo heverina fa hahatsiaro sambatra ery ilay tovovavy eto.

Fa ankoatra ny fifampizarana teny mamy eo amin’ny mpifankatia, dia zava-dehibe ihany koa ny fanajana ny olon-tiana.

b- fanajana ny olon-tiana

Mila mifanaja ny mpifankatia. Maro ny endrika mety hisehoan’izany fanajana izany. Mety ho fanajana ny zavatra tian’ny iray ohatra; mety ho fanajana ny safidiny ihany koa. Fa ny hita amin’ity tononkalon’i RADO RAMAHERISON ity kosa, dia endrika hafa mihitsy. Ho fanajan’ilay vehivavy ny olon-tiany, dia mikarakara ny tenany fatratra izy alohan’ny hihaonany amin’ny malalany.

“Izy ao izay”

“Izy ao izay efa tsy tafandry

Ny fotoana anefa ity tsy mety mba hiandry

ny mbola fiomanako

O ry lanitra ô,

nankaiza indray ny vakako?

Izy ao izay efa tsindrin-daona

Izao anefa ity ho tara ny fotoana

noho ny fiomanako

O ry lanitra ô,

22 VA.lah.30, and.1 42

nankaiza indray ny kapako?

Izy ao izay efa miherikerika

Izaho anefa ity mbola tsy afa-mihetsika

Ny hohoko eny mantsy tsy maintsy mbola hamainina

Ny voloko etsy andaniny mbola ilàna “peigne”

Nefa izy efa tena sasa-miandry

Ny sainy inoako mihitsy fa tena efa tsy mandry” 23.

Seriny dia seriny ery ilay tovovavy eto amin’ny fikarakarana ny momba azy rehetra. Tsy midika ho angentsangentsana ny fihetsika tahaka izao fa marika iray ho fanajana ilay olon-tiana. Tsy dia mendrika loatra raha hihaona amin’ny olon-tiana ka misaritadritaka fitafiana sy malotoloto.

Zava-dehibe ny fanajana ny olon-tiana, fanehoam-pitiavana izany. Fa mbola ambony noho izany ny fanomezan-danja ny olon-tiana manoloana ny hafa.

d- fanomezan-danja ny olon-tiana manoloana

ny hafa

Rehefa tiana ny olona iray, tsy tokony hatakalo na hampitahaina amin’ny hafa. Matoa mantsy nofidiana izy, dia heverina fa tsy manam-paharoa. Hoy ny filazan’i RADO RAMAHERISON izany ao amin’ny “Fanekem-pitia”:

“Ny saiko lahy nahoana no tsy mety mahavita

Tsy mety mahatafita ny manadino anao

Ny masoko ihany koa tonga tsy mahita

Ireo teraka fitia am-pelam-bony vao

Anefa impiry,impiry aho no “nikiry”

23 VA.lah.51, andininy rehetra 43

Ny hifidy anankiray tamin’izy firifiry

Nandalo tanoloako

Anefa noho ny foko hatrizao miziriziry

Dia zary tsy nahoako ireny rehetra ireny

Ny sofiko ihany koa manentsina tadiny

Amin’ireo Angolan-teny,rindrana fitia

Raha vao hoe tsy avy amin-dry

Noho izany rehetra izany dia inoako izao akia

Fa na oviana na oviana ny saiko tsy hahavita…

Ny masoko tsy hahita fitiavana hafa intsony

Ankoatra ny antsika mahery sy ambony”24

Misongadina eto fa tsy mba ireny lehilahy mora voasarika hitia olon-kafa ireny ny mpanoratra. “Tokam-po ohatra ny siny”, hoy ny fitenenana, izy.

Fa mbola hamafisiny koa io fanomezan-danja ny olon-tiany io ao amin’ny “Manala tena”

“Niangaran’iza loatra izato ianao ry tovovavy

No dia aminao daholo no hitakitako avy

Ireo marintsivana ilaiko

Ahasahiako manambara

(noho ny fahajamban’ny saiko)

Fa hatrizay ka hatrizao

Dia tsy misy afa-tsy ianao

24 VA.lah.29, andininy rehetra 44

No hany tena tsara eto Madagasikara”25

(…)

Abaribariny mihitsy eto fa tokana aman-tany ilay olon-tiany. Inoana fa ho lavitry ny mpanoratra ny famitahana ity nofinidiny, na ny fanitsakitsahana azy.

Fa rehefa miaina ao anaty fitiavana koa ny mpifankatia, dia zary lasa fanaony ny mivoaka ivelan’ny trano, mitady toerana izay fantany fa mahafinaritra azy, ka ahafahany miresadresaka am-pilaminana.

e- firesadresahana amin’ny toerana mangina

Rehefa injay mivaivay ny fitiavana eo amin’ny olon-droa mifankatia, dia satrin’izy ireo hihaona hatrany, hifampiresaka matetika. Mifanao fotoana, ka miresaka any amin’ny toerana heveriny fa tsy misy manelingelina azy. Io ilay antsoin’ny tanora hoe: “mampiaraka”. Hoy ny tononkalo mitondra ny lohateny hoe: “Aoka”

“Ilay fifamotoanantsika indray andro lasana iny

Aoka tsy hoadika, tsy ho tsiny

Raha toa tsy novonjeko

Aza na dia hoe tokoa efa nekeko

fa hampiaraka isika

Mantsy, akia,Sariaka

Ianao mahalala tsara

Fa tsy misy izao ny fiara

Efa andro vitsivitsy

Ary aleoko dia tsy hafenina

Fa tsy ho efako mihitsy

ny hizotra an-tongotra

25 V.A.lah.11, and.1 45

mandroso sy miverina

amin’ny elanelantsika

Saingy rahampitso;rahampitso dia rahampitso

Hiezaka aho ho tonga amin’ny iray ora tsy diso

Dia hampiaraka isika

Ka noho izany indrindra dia aoka ianao tsy hasiaka

Aoka tsy ho sosotra,aoka tsy ho montotra

Izay aloha no izy,masina mandrapihaona

Rahampitso no fotoana

Ny malalanao izay mahatsiaro foana foana”26

Hita amin’izao fa efa fahazarana ho azy ireo mihitsy ny mandeha mampiaraka. Na dia nisy aza ny sampona tsy nahafahana niaraka teo aloha, dia nonerana izany ny ampitson’iny. Fotoana manan-danja ny fampiarahana, satria mandritra izany no tena hananan’ny mpifankatia fotoana hifampiresahana betsaka indrindra. Mpifankatia tsy miresaka, hoy ny fitenenana, very ny androan-tokom-pitiavana. Ilaina tokoa ny resadresaka eo amin’ny mpifankatia .Fanehoam-pitiavana izany.

Hamafisin’i OM-GUI koa io amin’ny ampahany amin’ny tononkalony hoe: “Fiainan’ny mpifankatia”

(…)

“Dia satry ho haingam-pifarana

Ny tambatry ny herinandro

26 VA.lah.10, andininy rehetra 46

Ka tetika efa izarana

No hitsoahana an-trano hilaozana

Hamonjena fotoa-nifanaovana

Fa zovy ny mpifankatia?

Ka hoe tsy namorona lainga?

Dia iny fa miara-manainga

Mamantana ery amoron-drano

Eo an-tsisin’ny rano maria…

Ka raikitra ny safosafo

Fiainan’ny mpifankatia

Dia eny tokoa no ahalalana

Ny tsiron’ny tena fitiavana

Amin’ny bitsika ifampizarana

Indrindra ny dona-mandratra

Tsy tana kobonina an-tratra

Borahin’ny olo-malala”27

(…)

Asongadin’i OM-GUI eto fa efa fanaon’ny mpifankatia tokoa io fihaonana mitokana io. Any izy no mifampizara ny zavatra iainany na ny mahafinaritra, na ny alahelo tsy tanty, satria ny olon-tiana no mety hahasitrana ny zava-manjo ny tena.

Maro tokoa araka izany ny fomba enti-maneho fitiavana. Ny hojerena manaraka kosa indray dia ny fivelaran’io fitiavana io.

27 OM-GUI&NILO, Ainga sy vohitra: ilay kanto indrindra sinoratry ny fo, Imprimerie catholique, Antanimena-Antananarivo , 1995 47

2-1-3 ny fivelaran’ny fitiavana

Rehefa mitsiry ny fitiavana, dia mizotra ho amin’ny fivelarany. Mahery vaika izy amin’izay, kanefa koa mety hisy ny sedra lalovany.

2-1-3-1 ny heriny

Ny fitiavana amin-dRADO RAMAHERISON dia mampitambatra sy mampifamatotra tanteraka ny mpifankatia, miteraka fahatsiarovana tsy hay kosehina ao aminy, ary tsy hahatsiarovany izay mety ho fijaliana.

a-mampitambatra sy mampifamatotra

ny mpifankatia ny fitiavana

Tsy dia ampoizina mandrakariva ny fifankahitan’ny tovolahy sy ny tovovavy, fa toa ampifanojoan’ny kisendrasendra izy ireo. Olona tsy nifankahalala akory, kanefa noho ny herin’ny fitiavana, dia lasa tafara-dalana eo amin’ny fiainana. Hoy ny filazan’ny mpanoratra izany ao amin’ny tononkalo hoe: “Fahagagana”

(…)

“Fa ny lalanao tsy lalako

Kanefa mahagaga fa n’aiza n’aiza lalako

Tsy maintsy isika mifanena

Mahagaga koa fa zary fahasambarako

Ny famangianao,ianao izay “noterena”

Fa ankehitriny kosa

Ny lalanao dia lalako

Ny ho zanakao ho zanako

Ny ho fijalianao dia tena tsy ho zakako

48

Ny eo anilanao dia efa fahasambarako28”

Miharihary eto fa mampifamatotra tanteraka olona roa ny fitiavana. Lasa nisy zavatra nampiombona sy nampiray azy roa, dia ny sombin’ny ainy izany.

Fa io fitiavana io koa, tsy vitan’ny hoe mampifamatotra olon-droa fotsiny fa miteraka fahatsiarovana tsy hay kosehina mihitsy.

b- fahatsiarovana tsy hay kosehina

Mandritra ny fiainam-pitiavana, dia mifamahofaho eo amin’ny fiainan’ny mpifankatia ny mamy sy ny mangidy, ny mampalahelo sy ny mahafinaritra, sns. Tena mitamberina ao an-tsaina avokoa ireny rehetra ireny.

Hoy ny voalaza ao amin’ny tononkalo hoe: “Lalina”

“Iangaviako ianao,meteza re mba hino

Fa tsy dia ny saiko loatra no tsy mety manadino

Fa izato ianao mihitsy no sarotra hadinoina

Ny lasantsika mihitsy no tsy levon’ny fotoana

Matoa tsaroako foana sy mipetraka an-tadidy

Matoa hiraiko foana sy sandaiko ho sarobidy

Ny Fitiavanao lalaiko,ny Fitiavanao ry Aiko”29

Efa miezaka ny hanadino ihany ny andaniny eto, nefa tsy mety hadinony mihitsy ny olon-tiany.Tsy mety voafafa ao an-tsainy mihitsy ny lasany rehetra fa mitamberina hatrany.

Fa mbola mampiseho io fahatsiarovana tsy hay kosehina io ihany koa ny tononkalo hoe: “Ny alina mangina”.

“Izato alina mangina tsy mba ahitako tory

Dia alina irina tsy ho fantatrao akory

28 VA.lah.7, and.3, and.4 29 VA.lah.8,op.cit.tak.40, and.1 49

Alina mangina tsy ananako mpijery

Alina izay sina itoerako irery

Dia alina mba eto anilako eto ihany

Saingy alina tsy mety mampionona tomany

Ali-mampifoha ny lasa sy ny omaly

Antsoiko ny mangina fa “tabataba” no mamaly”30

(…)

Mahafadiranovana ny tsy anilan’olon-tiana. Tsy mety mangina ao an-tsaina mihitsy ny fahatsiarovana azy. Ny alina izay fotoana mangina tokony hatoriana aza manjary feno fahatsiarovana ilay olon-tiana foana.

Fa ankoatra ny fahatsiarovana tsy hay kosehina, dia tsy hahatsiarovana izay mety ho fijaliana koa io fitiavana io.

d- tsy fahatsiarovana fijaliana

Izay tia adala, hoy ny fitenenana. Midika izany fa rehefa tia ny olona iray, dia lasa toa tsy tompon’ny tenany intsony. Lasa mahatanty sy miaritra zavatra maro, koa na inona na inona zava-mitranga, dia toa vita mora ihany. Hoy ny tononkalo hoe: “Naninona?”

“Tsaroanao va Malala

fa andro mamanala

tahaka izao indrindra

no andro nihaonantsika ?

Va ianao mahatsiaro

fa nisy tamin’izay

rotsadrotsaka fanala

kanefa mahagaga

30 VA.lah.2, andl.1 hatramin’ny andl.8 50

fa tsy nisy anankiray

Nitaraina tamintsika

Nitaraina nangatsiaka31”

Namirifiry ny hatsiaka hoy ny mpanoratra, kanefa tsy nampihontsona azy ireo izany.

Fa mbola hamafisin’ny tononkalony hoe: “Ito lalana ito” koa izany.

“Ito lalana ito

ilay lala-masatsika

tanatina haizim-pito

tanatin’ny hatsiaka

Ito lalana ito

mbola injao mandrevo foana

mandrevo hatrany hatrany

rehefa mety koa fotoana

ka manorana aok’izany32”

Entin’ny fitiavana izy roa eto ka sahy misetra ny haizim-pito sy ny orana mikija.

Mahery tokoa araka izany ny fitiavana. Satry foana ny hianoka ao aminy. Atao mihitsy aza indraindray ny mamorona lainga mba hitazonana ilay olon-tiana eo anilan’ny tena.

e- fanaovana lainga

Eto amin’ity tononkalo hoe: “Hitondra teny mamy” ity , dia nahavatra namorona aretina mihitsy ilay tovovavy mba hitazonana ilay tovolahy.

31 VA.lah.53, and.1 32 VA.lah.58, and.1, and.2 51

(…)

“Mahatsiaro ilay ianao

niangavy, nitalaho.

Nitalaho ahy hiala mandry

ka nahavatra ny nandainga

ho volivoly sy marary.

Anefa raha ny marina

dia tianao mbola hitohy,

hitohy mandritra ny alina

ny retsika fitia

lalina dia lalina”33

(…)

Na dia eo aza izany hery lehibe ananan’ny fitiavana izany, dia tsy hoe tsy maintsy hisosa tsara eny foana akory ny fiainan’ny mpifankatia. Mety ho tojo vato misakana sy fitsapana mahamay izy ireo eny an-dalan’ny fitia eny. Sedra mety ho lalovany izany.

2-1-3-2 Ireo sedra mety ho lalovan’ny fitiavana

Lafin-javatra telo no asehon-dRADO RAMAHERISON fa mety ho sedra lalovan’ny fitiavana: ny anjara sy lahatra, ny sakana ataon’ny ray aman-dreny noho ny fari- piainana tsy mitovy, ny ditran’ny lehilahy.

 ny anjara sy lahatra

Na dia miredareda tokoa aza ny fitiavana eo amin’ny olon-droa, dia tsy ho tanteraka izany rehefa tsy anjarany ny hiara-dia eo amin’ny fiainana. Ny hany azo atao manoloana izany dia mifampitsodrano. Hoy ny tononkalo hoe: “Sambara”

33 V.A.lah.28, op. cit.tak.41 52

“Mba efa nisy ihany antsan’embona ivaiva

Nofantenako ho anao,nokaloiko takariva

Fony isika niara-dia,niombon-dalana namindra

Dia efa nisy koa andala-nofinofy

Niriako mba ho antsika dia faniriana “fotsy”

Sy andalam-betsovetso tsy hisy farany eto

Mba efa nisy koa tononkalo,tononkira

Noforoniko ho anao tamin’ny alina mangina

Fony izaho ilay nahatsiaro,nahatsiaro anao indrindra

Efa nisy izany saingy fikasana ihany

Tsy voalahatra ny antsika,nefa aza mitomany

Raiso ho fifaliana ny fo mifankatia

Raiso ho fifaliana na dia tsy miara-dia

Sambara ianao malala,sambara foana foana

Fa ho fifaliako izany,na ora firy na fotoana”34

 ny sakana avy amin’ny Ray aman-dReny

Noho ny antony maro, tahaka ny tsy fitovian’ny fari-piainana ohatra, dia misy ny Ray aman-dReny mandrara ny zanany tsy hiaraka amin’ny olona sahirana. Manahy ny mety ho tohin’ny fiainany eto ity olona voalazan’i RADO RAMAHERISON eto amin’ny

34 VA.lah.4, andininy rehetra 53 tononkalony ity. Efa norarana tsy hiaraka aminy mantsy ny olon-tiany kanefa mbola misisika ihany.

“Asakasakao”

“Ny eto fantatrao

Fantatrao tsy miafina

Fa fahantrana lalina

Isan’andro vaky izao

Ny eto tsapanao…

Ka asakasakao

Raha mbola hiziriziry

Hiaritra eto foana

Ny alin’hirifiry

Sy ianao ho faty noana

Lazaiko izany mantsy

Fa ’ndrao ho voka-dratsy

Izato ditran’ny fitia

Nosakanan-tsy hiara-dia

Kanefa dia minia”35

 ny ditran’ny lehilahy

Faniriana ho an’ny olona, indrindra ny vehivavy, ny hanana fiainan-tokantrano milamina. Rehefa sendra ny lehilahy maditra anefa, dia zary nofy ihany izany faniriana izany. Tsy ampy herintaona akory ny nankalazana ny raharahan’izy roa, kanefa dia mizaka ny mangidy indrindra ity tovovavy lazain-dRADO RAMAHERISON ao amin’ny “Satria re dia nahoana” ity.

35 V.A.lah.1, andl.1 hatramin’ny andl.15 54

“ Andriamanitra ô!

Fa dia nahoana loatra no tsy vitanay akory

ny mihoatra ny herintaona

dia efa ady foana foana no fiainana isan’andro.

Tsy misy ny masoandro mba mihiratra aminay

Vao hafiriana monja ny tokantranonay

Kanefa izao sahady ny fifandraisanay

nefa, hono, dia mpivady

Vao hafiriana monja dia zary toy ny fonja sy helo mahamay

Sady izay indray tato ho ato izay

Tsy maintsy izy mamo vao miditra ny trano

Raha mba manontany, dia trerominy avy hatrany

Fa tsy hidirako, hono, izany

Fa tato ho ato koa ry Andriamanitra Tsitoha

Dia misy ramatoa tsikaritro matetika mifampitantana aminy

Ary tsapako mihitsy ny fatra-pahasambarany

rehefa io no miaraka aminy.

Alina izy izao tsy nody an-trano indray

nefa hahita Ianao fa vao tonga ny amin’ny iray

dia izy no hiditra eo

ka hosokafany avokoa ireo vilany rehetra ireo

Tsy hahita anefa izy ka ho tezitra indray

55

sy hiteny ratsy maro tahaka izay fanaony

rehefa izy izay no mamo

Ka rehefa vita izay dia hirintona indray

Hohakapony ny trano

Dia tahaka izay foana

Fa satria re dia nahoana?”36

Tena mijaly tanteraka eto ilay vehivavy, satria sady mamono no tsy mody an-trano sy mpimamo ary mampirafy ilay rangahy vadiny.

Manoloana ireny olana ireny, dia mandroso vaha olana vitsivitsy ny mpanoratra: fanadihadiana tsara ny momba ilay hanolorana fitia, fanajana ny voady natao, fiezahana ny hitraka hatrany

 fanadihadiana tsara ny momba ilay hanolorana fitia

“Afo ny fitiavana”, ka izay milalao azy, dia ho may. Ilaina araka izany ny mandinika sy manadihady tsara ny olona izay hotiavina, sao hiteraka fahavoazana any aoriana. Mba hampaharitra ny fitiavana, dia mila misaina tsara vao mitia, hoy i RADO RAMAHERISON ao amin’ny tononkalo hoe: “Saino tsara vao mitia”

“Farany ho ritra ny ranomasonao

satria vao resy ianao dia tomany lava izao

no entinao milaza fa voafitaka indray

Resaka fitiavana matoa misy izay

Dia ilay fitiavana, fitiavan’olon-droa

izay raha samy mendrika dia lafatra tokoa

saingy ny mazàna dia tsy samy miara-tia

36 VA.lah.42, andininy rehetra 56

ka ny fiafarany dia misampana ny dia

Fahoriana indray no nisolo fifaliana

satria ilay fitia dia efa tapaka tarangana

Ilay endriky ny tiana nofisina isan’alina

tonga mampijaly ka vatranao roahina

Mitampody foana tsy matinao vonoina

irony teny mamy nankafizina nohenoina

Ny hampaharitra fitia,ho fitiavana ho doria

no hilazana hoe: SAINO TSARA VAO MITIA”37

 fanajana ny voady natao

Raha tiana ho mafy orina ny fitiavana, dia tokony hohajaina mandrakariva ny voady natao. Raisina ho zava-dehibe mihitsy ilay fitiavana ny olon-tiana ka tsy misy atakalo azy. Hoy i RADO RAMAHERISON ao amin’ny “Fanekem-pitia”

(…)

“Noho izany indrindra dia inoako izao akia

fa na oviana na oviana ny saiko tsy hahavita

ny masoko tsy hahita fitiavana hafa intsony

ankoatra ny antsika mahery sy ambony”.38

 fiezahana ny hitraka hatrany

Amin-dRADO RAMAHERISON dia mety hisy tokoa ny fivadiham-pitokisana ataon’ny andaniny na ny ankilany. Raha sanatria, ka tojo izany, hoy izy, ao amin’ny “Manala alahelo”, dia fadiana ny mitanondrika na mamoy fo.

37 V.A.lah.49, op.cit.tak.33, andininy rehetra 38 V.A.lah.29 , op cit.tak.43 57

(…)

“Tsy azo lavina tokoa

fa dia rendrarendram-po

ny toky izay nomeny

ny voady izay nekeny ,

ilay nekeny tamin’iny

Mantsy ankehitriny

nitampody ny olon-tiany

ka nandresy lahatra azy

dia resy ilay zavavy

ka nandrava avy hatrany

ny fototry ny akany

Fahasahiana any izany!

nefa mitrakà, fafao ny ranomaso

ny lanitra hitsara sy hamaly no andraso”.39

2-2 Eo amin’ny sehatry ny ankohonana sy ny fianakaviana

Tsy mijanona fotsiny eo amin’ny sehatry ny fitiavan’olon-droa ny fitiavana fa mivelatra hatramin’ny sehatry ny ankohonana sy ny fianakaviana. Mialoha ny hijerena ny mikasika izany, dia andeha aloha hofaritana ny atao hoe ankohonana sy ny fianakaviana.

39 VA.lah.55, and.2, and.3 58

2-2-1 ny antsoina hoe “ankohonana” sy “fianakaviana”

Amin’i Régis RAJEMISA-RAOLISON, ny ankohonana dia: “fitambaran’ny olona rehetra izay iadidiana ao anatin’ny tokantrano : vady aman-janaka, ray aman-dreny antitra, mpiasa, havana na zana-kavana mipetraka ao amin’ny tena.”40

Raha mamaritra ny antsoina hoe fianakaviana kosa izy, dia ambarany fa: “fitambaran’ny ray sy reny ary ny zanaka izay antsoina hoe mpianakavy”41

Hoy kosa i Olga RAMAROSON tamin’ny lahateniny nandritra ny fanamarihana ôfisialy ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fianakaviana notanterahina ny 15 Mey 2012 tany amin’ny kaominina Ampanotokana distrikan’Ambohidratrimo: “miarahaba ny Ray, manaja ny Reny, mankasitraka ny zanaka. Ny fitambaran’ireo mantsy no atao hoe ankohonana, ary ny fiitaran’izany ankohonana izany no atao hoe fianakaviana.”42

Hita amin’ireo famaritana ireo fa anisan’ny singa mandrafitra ny ankohonana sy ny fianakaviana ny Ray, ny Reny ary ny zanaka.

Ireto lafin-javatra manaraka ireto no andeha hovahavahana etsy ambany: ny fitiavan’ny Ray aman-dReny ny zanaka, ny fitiavan’ny zanaka ny Ray aman-dReny

2-2-2 ny fitiavan’ny Ray aman-dReny ny zanaka

Anisan’ny mankamamy zanaka ny Malagasy. Maro ny ohabolana amam-pitenenana maneho izany, toy ny hoe: ny zanaka no harena, tsy misy Ray aman-dReny manolo-bato mafana ny zanany, sns. Ny hita ao amin’ny tononkalon-dRADO RAMAHERISON kosa mikasika io fitiavan’ny Ray aman-dReny ny zanaka io, dia ireto manaraka ireto: ny fikelezana aina hahatafita azy, ny fananarana azy, ary ny fampianarana azy hiatrika ny fiainana.

2-2-1-1 ny fikelezana aina hahatafita ny zanaka

Tanjona iray lehibe ho an’ny Ray aman-dReny ny hanana zanaka tafita. Raha vao hitany fa tokony hianatra ny zanany, dia alefany any an-tsekoly hanovo fahalalana. Ny

40 Régis Rajemisa RAOLISON, Rakibolana malagasy, Editions Ambozontany Analamahitsy, Antananarivo, 2003 41 Régis RAJEMISA-RAOLISON, ibid 42 http://madagate.com/madagascar-informations-politiques-malagasy-photos-madagascar/a-la une-de- madagascar/madagate-video-et-affiche/2395-olga ramaroson-ny maha-olona-ny-olona-dia-ny-fananany- trano-fonenana.html 59 fampianarana azy mantsy no antoka iray lehibe hahatongavana amin’izany. Hoy i RADO RAMAHERISON ao amin’ny tononkalony hoe: “N’inona n’inona ho foana”

“N’inona n’inona tsy hisy

Ialahy tsy mahazo miato, tsy mahazo miato mihitsy

amin’io fianarana io

Fa ny ahy aleoko leitsy

tsy manana tahiry an’arivo sy aman’hetsy

toa izay rahatrizay ialahy izay sombinaiko

no mbola hitondra indray ireto vesatra lanjaiko.

N’inona n’inona tsy hisy

tsy maintsy ialahy tafita

Fa izaho tsy te-hahita izany hoe sombinaiko

no tsy hahalala akory ireto kely

izay mba haiko

Tsy ampy anefa izay fa ilaiko mihitsy ialahy

hihoatra lavitra ahy

amin’ny lafiny rehetra

na ara-pihariana na lafiny ara-toetra

Ka esory mihitsy an-tsaina

izay sento sy taraina iainako isan’andro

fa efa anjarako io, fa ity no tadidio

Ilaiko ialahy ho ambony ,ho mendrika, ho tafita

60

Mba tsy ho ambany intsony ka ho be mpikitakita43”

Asehony eto fa tsy mampaninona azy na lany aza ny tahiriny raha izany no hahatafita ny zanany. Tsy tiany hanahaka azy intsony mantsy ny taranany amin’ny lafiny fahaizana amam-pahalalana sy ny fiharian-karena. Izay adala tokoa mantsy no toa an- drainy, hoy ny fitenenana.

I Georges ANDRIAMANANTENA ihany koa, dia maneho io fitiavan-janaka io ao amin’ny “Isahiranako”.

“Raha mbola hain’ny tanako

ka zakan’ny fananako

dia isahiranako

Rehefa ho an’ny zanako”44

Abaribariny mihitsy eto fa tsy mampaninona azy ny mitady ny fomba rehetra hahasoa ny zanany. Izay ananany rehetra eo am-pelatanany, dia foiny ho an’ny silaky ny ainy; tsy hitarainany ny fanaovana izany.

Fa ankoatra io fiezahana hahatafita ny silaky ny aina io koa, dia zava-dehibe ny fananarana azy.

2-2-2-2 ny fananaran-janaka

Ny zanaka tiana, hono, no anarina, hoy ny fitenenana. Midika izany fa tsy tokony hatao tsirambina ny fananarana ny zanaka vololon’ny aina. Mety hibirioka mantsy izy raha tsy mba anarina. Ity tononkalon-dRADO RAMAHERISON hoe: “Anaka, hanainga izao ianao” ity , dia mampiseho io fananaran-janaka io.

“Anaka

Hanainga izao ianao handranto fahalalana

Ka ity mba teny kely

43 V.A.lah.43, op. cit.tak.24, andininy rehetra 44 RADO, Sedra, edisiona NEW PRINT, 2001 61

Tsarovy lalandava, aza hadinoina velively

fa isika hatramin’izao dia tsy foin-dRafahantrana

Ka any an-tany lavitra any

dia tandremo ny famindra sombinaiko tiako izany

Tandremo ny famindra sao ho solafaka ny dia

Indrindra indrindra moa noho ny resaka fitia

Ny tsy fahampiana eto tsy miafina aminao

Matoa alefa ianao dia tsy misy afa-tsy izao

Ianao dia ianao irery, eny ianao dia ianao irery

no hany sisa manan-kery hihoarana amin’ny fiainana

ka raha hahatafita anao, dia na oviana tsy hitarainana

Hanainga izao ianao hanovo fahalalana

Ka rahatrizay ianao tafita, dia hivereno ity tanàna

fa ny eto sombinaiko mbola lavitra “maraina”

Mbola vitsy tena vitsy ireo vahoaka tonga saina

anefa izy ireo dia tsy manana mpitarika

Ny sisa koa ankilany tsy mihevitra ny “hianika”

ka dia samy mialangalana

Ka na misy aza eto antokon’olona mijoro

dia olana mitoetra ireo maro an’isa tsy hay atoro”45

Handeha hanovo fahalalana any an-tany lavitra ilay zanaka eto. Tsy hain’ny Ray aman- dReny ny hikombom-bava tsy hiteny amin’ny fananarana sy ny fampianarana azy ny fitondrantena tokony hananany any an-tany lavitra any. Mananatra ny zanany mafy izy

45 VA.lah.54, andininy rehetra 62 mba tsy hanaotao foana mandritra ny fandrantoany fianarana. Mafy aminy tokoa raha sanatria ka solafaka any amin’ny toerana alehany any ny menaky ny ainy, satria io no hany mba fanantenany eo amin’ny fiainana. Fanampin’izay, dia manafatra ny zanany koa izy mba tsy hitsipa-doha ny laka-nitana rehefa tafita soa aman-tsara.

Ilaina araka izany ny fananaran-janaka, fa mihoatra lavitra noho izany ny fampianarana azy hiatrika ny fiainana.

2-2-2-3 ny fampianarana ny zanaka hiatrika

ny fiainana

Mifamahofaho ny toe-javatra iainana ao an-tokantrano. Indraindray mety hahafa-po ny zanaka ny fiainana ao, satria mahatsiaro fahasambarana izy, ary voavaly ny filàny. Indraindray koa anefa mba mandalo zava-tsarotra fa tsy toy izany foana akory. Manoloana izany indrindra, dia mety raha ampianarina ny zanaka ny fiatrehana ireny. Ity tononkalon-dRADO RAMAHERISON hoe: “Mandefera sombinaina” ity, dia ahitana io fampianarana ny zanaka hiatrika fiainana io.

Mandefera sombinaina

fa aza dia miferin’aina

fa mahavolivoly ny aiko

badenina e ny saiko

mahita anao tomany

anaty an-tanan-dany

Mandefera aloha anio

Anjara izao ka ifalio

Fa any aza izao

misy tsy mba toa anao

fa rano sisa mba sakafo 63

noho ity fiainana efa lafo

Aza saininao,aza atao ho fijaliana,

ka mahatonga anao mangina

raha toa anio ianao

vao mba sendra tahaka izao

Mandefera sombinaina

mandra-pihavin’ny maraina46

Asehon’ilay Ray aman-dReny mihitsy eto fa tsy tantiny ny mahita ny zanany miaina ao anatin’ny fahasahiranana sy ny tsy fahampiana. Mangorakoraka sy mangotsoka tokoa ny tenany manontolo mijery ny sombin’ny ainy mihafy mandritra ny fotoana tsy fisian’ny vola iny.

Eo anatrehan’izany indrindra, dia mampianatra ny zanany izy mba tsy ho kivy sy hitaraina, satria mandalo ihany izany fa tsy hitoetra mandrakizay akory. Reseny lahatra mihitsy moa ny menaky ny ainy eto fa tsy izy irery ihany akory no miatrika fiainana tahaka izao, fa mbola misy olon-kafa mihafy lavitra. Noho izany, dia asainy mifaly amin’izay zava-misy aloha ny zanany.

Ny fitiavan’ny Ray aman-dReny ny zanany no nojerena teo. Fa mba manao ahoana kosa indray àry ny fitiavan’ny zanaka ny Ray aman-dReniny?

2-2-3 Ny fitiavan’ny zanaka ny Ray aman-dReny

Ny hojerena voalohany, dia ny fitiavan’ny zanaka ny kitapo nifonosany. Manaraka izany, dia horesahana ny fitiavan’ny zanaka ny rainy.

2-2-3-1 ny fitiavan’ny zanaka ny Reny

Zava-dehibe ho an’ny tsirairay ny fananana Reny. Izy no naha olona sy nizaka ny mafy, nitondra folo volana an-kibo, hany ka tsy hay hadinoana sy lalaina fatratra. I Bessa

46 VA.lah.64, andininy rehetra 64 ohatra, dia tena manindrahindra io Reny nahitana masoandro io mihitsy ao amin’ny tononkirany hoe: “Hafa ihany i Mama”

“Andry ianteherako ny dadako

Tokim-pahanterako ny zanako

Samy tiako sy lalaiko fatratra

Ary samy iriko mba ho sambatra

Sanatria tsy hadinoko ny vadiko

Sy ireo iray tampo zoky sy zandriko

Hafa ihany i Mama

Neny mamako”

Asehony eto fa na samy eo aza ny Ray, ny Zanaka, ny vady, dia mihoatra lavitra noho ireo ny Reny.

Ho an’i RADO RAMAHERISON, dia ireto manaraka ireto no mari-pitiavany ny Reny: fanajana azy, fitrotroana am-bavaka azy, ary ny fanoroana hevitra azy.

a- ny fanajana ny Reny

Hoy i RADO RAMAHERISON ao amin’ny tononkalony hoe: “Noho ianao ry Neny”

“Noho ianao ry Neny

dia hangina aho tsy hiteny

hangina aho tsy hamaly

ny zioga nolanjaiko,nolanjaiko samirery

tamin’ny lasa sy omaly

Noho ianao ry Neny

dia holanjaiko ihany

Ny hazo fijaliana zarako eto an-tany

65

Holanjaiko izany

Mangataka aho anefa,mangataka aminao

Mba ivavaho ilay tiako mba ho olom-baovao

Mba ivavaho ilay nofidiko mba tsy hanohy ny toy izao

Noho ianao ry Neny

dia hangina aho tsy hiteny

hangina aho tsy hamaly

Mangataka aho anefa,mangataka aminao

Mba ivavaho ny foko ho mirana sy faly

fa hangina aho tsy hamaly

Hangina aho tsy hiteny

Noho ianao indrindra , noho ianao ry Neny”47

Nampandeferiny ny hambom-pony eto noho ny fanajany ny reniny, na dia te hamaly faty ilay olon-tiany aza izy. Mahatsiaro ho natera-behivavy izy ka tsy vitany ny hamaly faty azy. Ny hany angatahiny amin’ny reniny dia ny hitondra am-bavaka ny olon-tiany mba hiova fo.

Ankoatra ny fanajana ny Reny, dia porofom-pitiavana iray lehibe koa ny fitondrana azy am-bavaka

b-ny fivavahana ho an’ny Reny nahitana masoandro

Ahitana io fahatsiarovana am-bavaka ny kitapo nifonosana io ny ampahany amin’ny tononkalon’i RADO RAMAHERISON hoe: “Neny a!”

47 VA.lah.50, andininy rehetra 66

(…)

“Aty aho izao ry Neny dia mivavaka ho anao

Enga ianao tsy hahatsapa ny fiakaran-dapa hotozoin’ny zanakao”48

Voatery nisara-toerana eto izy mianaka. Na dia eo aza izany, dia tsy manadino ny reniny izy fa mahatsiaro azy am-bavaka.

Fa mbola marika iray ahafantarana fa tia ny Reniny koa ny zanaka, dia ny fanoroana hevitra azy.

d- ny fanoroana hevitra ny Reny

Ilaina ny fifampiresahana eo amin’ny Ray aman-dReny sy ny zanaka. Mahatsara ny fifandraisana izany. Eto amin’ity tononkalon’i RADO RAMAHERISON hoe: “Neny a!” ity, dia tsapa fa mifandray tanteraka ny Reny sy zanaka.

“Neny a!

Raha toa ianao sy Dada tsy hifanaraka intsony

Dia iangaviako ianao, ataovy mba tsaroany

fa misy ny adidy mitambesatra eo an-tsorony

dia ny aminay ankizy,mantsy andrao adinony

Ambarao mazava tsara fa izahay tsy niady taminy

ka sao, hono,hoe, sao kosa mba tsy rariny

Tsy mitsara, hono hoe, raha toa milaza izany

fa mampahatsiaro kosa fa dia lasa saina ihany

Mantsy anarana eny sisa, dia anarana tokoa

ilay fiantsonay fahiny,ilay fihantanay taloha

Mialoha izany anefa,manaova ala nenina

48 V.A.lah.57, andl.1-2 ao amin’ny and.2 67

Mantsy ange ry Neny aleoko dia tsy afenina

fa mba satrinay indrindra, hahafaly anay tokoa

raha miverina amin’ny laoniny fa tsy mizara roa

ity tokantrano ity.

Dia meteza koa ianao , meteza hanontany

Sao re mba misy koa antony avy taminao

matoa ny tranontsika ambony ambany tahaka izao.

Aza valiana izao fa saino tsara am-po mangina

fa hafa ange ry Neny , hafa ihany ny olon-tiana

indrindra rehefa vady

Tsarovy indrindra koa ilay ianareo nivoady

teo ambony alitara

Ilay misy indrindra hoe, na ho ratsy na ho tsara

Ka asanao ry Neny

fa ny ahy ity ka mba teny , tenin-janakao matoa

Tsy mahavatra intsony hijery fotsiny ihany.

Ka raha azonao hatao

Mamela re ny hadisoany, fa izy efa nifona

Mbola miaina i Dada mantsy ka mba lavom-pahadisoana”49

Misy disadisa eo amin’ny Ray aman-dRenin’ity zanaka ambaran’i RADO RAMAHERISON ao amin’ny tononkalony ity. Mety hiafara hatramin’ny fisarahana izany. Manahy ny amin’ny ho tohin’izany ilay zanaka, ka tsy misalasala manoro hevitra ny reniny mba hampahatsiahy ilay rainy ny amin’ny adidy miandry azy, dia ny

49 VA.lah..60, andininy rehetra 68 famelomana ny zanany izany. Tsy ekeny raha toa mihalangalana amin’izany ny rainy, satria tsy misy mahakasika azy ny tsy fifankahazoana teo amin’ny roa tonta. Tena fifaliana ho an’ny zanaka tokoa moa ny mahita ny rainy sy ny reniny mifankatia hatrany fa mahafadiranovana azy kosa raha misaraka izy ireo. Miezaka mandresy lahatra ny reniny tokoa eto ilay zanaka mba hahatonga azy ireo hiverina hifankatia indray. Asainy mandini-tena ilay reniny sao izy no niavian’ny tsy fifanarahana. Ny vy mantsy tsy mikitrana irery, hoy ny fitenenana.

Maro samihafa araka izany ny mari-pitiavana azon’ny zanaka omena ny reny niteraka azy. Hojerena kosa indray ny fanehoam-pitiavana ataon’ny zanaka amin’ny rainy.

2-2-3-2 ny fitiavan’ny zanaka ny rainy

Ireto ny fihetsika ataon’ny zanaka anehoany fa tiany ny rainy ao amin’ny tononkalon’i RADO RAMAHERISON: fitadiavana ny hahasoa azy amin’ny alalan’ny torohevitra, ny famelana ny hadisoany.

a-ny fanomezan’ny zanaka torohevitra ho an’ny rainy

“Ny hevitra, tsy azo tsy amin’ny olombelona”. Tsy tokony hikiribiby amin’ny hevitry ny tena samirery araka izany. Ilaina ny maka torohevitra amin’ny hafa. Eto amin’ity tononkalon’i RADO RAMAHERISON hoe: “Tsipy teny” ity, dia tsy misalasala ilay zanaka manoro hevitra ny rainy.

“Dada a!

Maninona kay Dada raha mifindra toerana hafa

Fa aiza ve ry Dada ka ianao sy Ingahy Ratrema

toa mba samy miasa ihany

kanefa ry zareo manam-bola be miavosa,

Isika kosa eto mazàna no mitrosa

Ka raha izao mihitsy Dada,

69

dia any an-kafa aho no mitady,

fa angamba ny ao ry Dada

efa ambivitra ho lany

raha tsy efa foana mihitsy,

fa efa tsara pirina any am-paosin’olom-bitsy

ka na ho atambatra aza ny ao

dia lazaiko marimarina , lazaiko anao mihitsy

fa hanify dia hanify

Ka hevero izay atao

fa tsy mbola tara izao”50

Mahatsapa lesoka amin’ny fomba fiveloman’ny rainy eto ilay zanaka. Hitany fa tsy mahomby intsony ny fitadiavana eo amin’ilay toerana misy azy ireo, ka asainy mifindra toerana hafa ny dadany.

Porofo iray hitarafana fa tia ny rainy ny zanaka ny fanomezany azy torohevitra mahasoa; fa tena manan-danja koa ny famelan’ny zanaka ny helony.

b- ny famelan’ny zanaka ny hadisoan’ny rainy

Matetika ny zanaka, dia tsy mamakafaka akory ny antony nahatonga ny olana teo amin’ireo Ray aman-dReniny, fa avy hatrany dia manome tsiny ny andaniny na ny ankilany. Misy moa tena lasa mankahala tsotra izao. Eto amin’ity ampahan’ny tononkalon’i RADO RAMAHERISON hoe: “Neny a!”, dia mahatsapa ny hadisoan’ny rainy ilay zanany. Tsy mitana alahelo amin’’ny rainy anefa izy, fa manentana ny reniny kosa mba hamela ny heloky ny vadiny.

(…)

“Ka asanao ry Neny

Fa ny ahy ity ka mba teny,tenin-janakao matoa

50 VA.lah.44, andininy rehetra 70

Tsy mahavatra intsony hijery fotsiny ihany

Ka raha azonao atao

Mamelà re ny hadisoany fa izy efa nifona

Mbola miaina i Dada mantsy ka mba lavom-pahadisoana”51

2-3 Eo amin’ny sehatry ny fiarahamonina sy ny tanindrazana

Miaina eo anivon’ny fiarahamonina ny poeta. Olona maro no ifaneraserany. Fantany ny zava-misy ao anatin’io fiarahamonina ivelomany io. Miainga amin’ireny ny asa soratra izay vokariny fa tsy mandehandeha ho azy akory. Hoy i Charles RAVOAJANAHARY milaza izany: “Tsy nitsontsorika avy any an-danitra ny Haisoratra sy ny mpanoratra azy. Olombelona miara-miaina amin’ny olona mpiray tanindrazana aminy ny mpanoratra, taratry ny fiainana niainany no avoakany,ny vetsom-pony, ny hetahetam- panahiny, ny fisaintsainany, izay tsy maintsy misy iraisany amin’ny mpiara-belona aminy na dia manana ny maha tena maha izy azy manokana aza izy”52. Mba hahalalana bebe kokoa ny amin’izany, dia ndeha hojerena voalohany aloha ny eo amin’ny sehatry ny fiarahamonina. Manaraka izany, dia horesahana indray ny eo amin’ny sehatry ny tanindrazana.

2-3-1 eo amin’ny sehatry ny fiarahamonina

Ny zava-misy hitan’ny mpanoratra eo amin’ny fiarahamonina misy azy sy ny fihetsiny manoloana izany no hasongadina eto amin’ity zana-pizarana ity.

2-3-1-1 ny zava-misy hitan’ny mpanoratra

eo amin’ny fiarahamonina misy azy

Ireto toe-javatra roa ireto no asehon’ny mpanoratra ao amin’ny tononkalony: ny fahasahiranan’ny mpiara-belona, ny tsy fifankahazoana eo amin’ny olona samy olona.

51 V.A.lah.60, op cit.tak.67, andl.26-27-28-29-30-31 52 Charles RAVOAJANAHARY, “Tantaran’ny haisoratra 1896-1915”, Antananarivo, STELARIM, 1973 71

a- ny fahasahiranan’ny mpiara-belona

Lafin-javatra roa no entin’ny mpanoratra maneho io fahasahiranan’ny mpiara-belona aminy io:eo ny tsy fisian’ny vola, manampy izany koa ny fihafiana.

 ny tsy fisian’ny vola

“Ny vola no hozatry ny fiainana”, hoy ny oha-pitenenana iray. Tena ilaina araka izany ny fananana azy. Miankina aminy tokoa moa no mahalavorary ny fanaovan-javatra rehetra amin’ny ankapobeny toy ny fividianana sakafo hamelomana ny ankohonana, ny fividianana fanafody raha marary, sns. Misy fiantraikany eo amin’ny tsirairay ny tsy fisian’io vola io. Hoy i RADO RAMAHERISON ao amin’ny “Rehefa ny vola”

“Rehefa ny vola no tsisy ao ao an-trano

Dia ahiana daholo ny zavatra maro

Fa toa tsy inona akory

Dia mampiakatra ambony feo ankiray

ka miteraka angano

Tsy misy mahatsiaro ny firaisam-po, ny firaisan-tsaina

izay nisy hatrizay

tanaty hakiviana, tanaty hafaliana

Fa tsisy ny vola dia kirikiriana

Dia misy efitrano tsy mety mangina

Anefa dia izay , izay ilay tsy izy

Tsy izy mihitsy raha hitan’ankizy

Fa zaza eny mantsy,zaza ihany ireny

Maratra any anaty na hoe tsy miteny

72

Ka rehefa ny vola,rehefa io no tsy misy

Dia mba aoka mihitsy izay ady ao an-trano

tsy ho ren’ny ankizy

Fa aminy ireny afero mangidy

tsy maintsy zakainy, tsy maintsy lanjainy

Ka ho simba ny sainy”53

Misongadina eto fa tsy afaka manao zavatra mihitsy rehefa tsy misy io vola io. Vokatr’izany, dia lasa misavorovoro be ihany ny fiainana ao an-tokantrano. Mampiova olona tanteraka ny tsy fananam-bola. Lasa kizintinjintina sy mora tezitra ny olona rehefa tsy manam-bola. Rava ny fifankatiavana ao an-tokantrano, fa ady lava no manjaka.

Mampianatra kosa eto ny mpanoratra, fa tsy tokony hatao eo imason’ny ankizy mihitsy ny ady manoloana ny tsy fisian’ny vola ao an-tokantrano; satria tena mahafadiranovana azy izany. Misy akony amin’ny toe-tsainy ny mahita ny ao an-trano mifanditra amin’io resa-bola io. Mety hisy akony amin’ny fomba fiainany izany.

Ankoatra ny tsy fisian’ny vola, dia maneho ny fahasahiranan’ny mpiara-belona koa ny fahitana azy mihafy tsy afa-manoatra.

 ny fihafiana iainan’ny mpiara-belona

Marika ahitana fa sahirana ny olona iray ny fihafiany. Miresaka ny momba io fihafiana iainan’ny olona io ity tononkalon’i RADO RAMAHERISON hoe: “Tranga iray fahita” ity.

“Tranga iray fahita rehefa volon’andro fety

ny fisian’ny ray sy reny mba te hanao ny mety

saingy tsy afaka manoatra

Mantsy lafo loatra

53 V.A.lah.34, andininy rehetra 73

ny entana eny an-tsena

Ny hany sisa mora

dia jabora, taovan-kena, …

ka ny any no ilaharany

Ny henatra tsy fantany

Ny zanany amin’io hatry ny omaly,

omaly takariva no efa nilazany

hitsongo vao maraina dian’anamamy

eny rehetra eny

Ny hirifiriny tsy (ho) reny

Dia izay, izay no mba hilaofany

ny kely anjara vary nozaraina omaly

avy tamin’ny fokontany sy vaomieran’ny sôsialy”54

Rehefa tonga ny vanim-potoanan’ny fety, dia miezaka manao izay mahafinaritra azy ny ankamaroan’ny olona. Misy ny manao hanim-pitoloha, ny sasany mividy akanjo vaovao, ao ireo mividy kilalao ho an-janany,sns. Andro iray toa zato ny fety ka tsy mampaninona ny sarambaben’ny olona ny mandany vola aman-karena amin’izany. Ity fianakaviana iray ambaran’i RADO RAMAHERISON eto ity kosa, dia tsy afaka manao izany loatra, satria ambany ny fahefa-mividiny, hany ka miaina amin’izay takatry ny vola. “Mason-tsokina ka izay kely ananana no ahiratra”. Ireny efa sisasisan-kena ireny, dia ny jabora sy taovan-kena no hany takatry ny volany.Tsy mampaninona azy mihitsy ny mandany fotoana kely manao izay ahazoana izany eny amin’ny mpivarotra. Tsy mahasaikatra azy ny fividianana izany na dia kely akory aza. Midika izany fa tsy mahatakatra ny hena matavy izy. Lafo loatra mantsy izany. Anamamy nalaina tetsy sy teroa kosa no fanampin’izay. Izany no ataony laoka mandritra ny andro fety, ampiarahany amin’ny vary izay fanomezana avy amin’ny fokontany.

54 V.A.lah.26, andininy rehetra 74

Ankoatra ny fihafiana, dia tsapan’ny mpanoratra ihany koa fa mijaly sy fadiranovana ny mpiara-belona aminy.

 ny fijaliana iainan’ny mpiara-belona

Mason-tsivana ilazana fa sahirana ny olona iray, ny fahitana azy fa mijaly izy. Tsy takona afenina izany fijaliana izany eto amin’ity tononkalon’ny mpanoratra hoe: “Zioga” ity.

“Andro fitsaharana avy

dia mbola misy foana zaza amam-behivavy

tsy avelan’ny fotoana hipetrapetra-poana

fa mbola misy ihany

noho ny tsy fisiana,noho ny tsy fananana

na inona na inona horaisina eo an-tanana

Amin’izay anefa vao maraina dia nilefa namonjy filokana

ny rain’ny tokantrano,ninia tsy nahalala

sy tsy nanontany akory

sy sahy nilaza mihitsy fa any aminy tsy misy

raha sendra nanontany,nanontany an-dranomaso

ilay vady andefimandry zary tsy ampy torimaso

noho izy tsy tafandry,tsy tafandry mandry

nieritreritra halina

ny hohataina ny maraina sy ny andro manontolo

izay satriny indrindra,satriny dia satriny ho hitany daholo

saingy dia tsy izany fa dia efatra kapoaka

dia izay monja ihany no hany mba karama 75

nomen’ilay madama

nampanasa lamba tapak’andro manontolo

( Ny andro tamin’izay nigaina sy nandoro)

ka ireo no notsinjaraina ny atoandro sy ny hariva

ho azy fito mianaka sy mbola namelana

hovantanin’ilay ray ho trotraka hadalana

izay tsy maintsy hitabataba raha toa ka tsy hanisana”55

Mijaly sy fadiranovana tokoa ity ankohonana iray ambaran’ny mpanoratra eto ity. Fotoana tokony hialana sasatra avy no mbola hitotototoana hitadiavam-mbola. Ny tsy fananana tokoa mahazaka maniraka. Ny raim-pianakaviana anefa, dia tsy mihevitra izany tsy fisiana ao an-tokantrano izany akory, fa mbola manao ny danin’ny kibony any ivelany ihany. Tsy mandefa eritreritra kely ny amin’ireto vady aman-janany akory izy. Ny renim-pianakaviana indray no lasa mitondra ny mangidy indrindra eo amin’ny famelomana ny menaky ny ainy sy ny fiaretana ny ditran’ny vady.

Ny fahasahiranan’ny mpiara-belona no nojerena teo. Mahatsapa koa ny mpanoratra fa mifamingana ny samy mpiara-belona.

b-ny fifaminganana eo amin’ny samy mpiara-belona

Endrika roa no isehoan’ity fifaminganana eo amin’ny samy mpiara-belona ity: ny fihatsarambelatsihy, ny tetika mampandamoka ny fahombiazan’ny hafa.

 ny fihatsarambelatsihy

Toetra iray anisan’ny ratsy indrindra ny fihatsarambelatsihy. Maro anefa ny olona no miaina ao anatin’izany. Hamafisin’i RADO RAMAHERISON izany ao amin’ny ampahany amin’ny tononkalony hoe: “Io ilay nolazaiko”

“Io ilay nolazaiko hoe mitandrema sombinaiko

fa malama anie ny tany

55 V.A.lah.40, andininy rehetra 76

Mbola misy hatrany ireo tsara vava imaso,tsara resaka aminao

kanefa ambadika ao dia mikotrika hafetsena

hamotehana avy hatrany izay fiharian-karena mba nilofosanao

Ka rehefa izany dia zary fifaliany ny mahita anao tomany

Hifaliany ny hadalany

fa tsy ahoany akory izany”56

(…)

Mampiomana sy mampahafantatra ny zanany izy eto fa tena misy ny olona mpihatsaravelatsihy. Tiany ho mailo amin’izany ny sombin’ny ainy. Ampahafantariny fa mody miseho ho tsara eo imaso ny olona amin’ny teny sy ny resaka ataony, kanefa ny ao am-pony dia ny hanao izay hahafongana ny harena izay nisasarana. Fifaliana ho azy ny fahitana fa resy ny olona iray.

Mihatsaravelatsihy ny samy mpiara-belona hoy ny mpanoratra. Tsy vitan’izay anefa fa manao izay hampandamoka ny mety ho fahombiazan’ny hafa koa izy ireny.

 mpiara-belona mifampisotasota

Fahita eo amin’ny fiarahamonina ny olona sasany manao izay hahasolafaka ny manodidina azy. Hoy indrindra i RADO RAMAHERISON ao amin’ny ampahany amin’ilay tononkalony hoe: “Io ilay nolazaiko”

(…)

“Io ilay nandrarako hoe fero tsy hanako amin’ny olona rehetra

izay mba tarigetra kasainao hotozoina

Indrindra moa ka hoe mety hanohintohina

ny tombontsoan’ny hafa

Satria lazaiko anao fa tsy hihambahamba mihitsy

56 VA.lah.59, and.1 77

na dia aza olom-bitsy ireo voaresaka amin’izany

hikotrika avy hatrany ny tetika rehetra

dia paika hampandamoaka izay kinasanao hitoetra

Iniany ny hadalany

fa tsy ahoany akory izany”57

Asehony eto fa misy ny sotasota eo amin’ny samy mpiara-belona. Manoloana izany, dia sakanany ny sombin’ny ainy tsy hitantara amin’ny olona rehetra izay fikasana tiana hotratrarina; satria raha vao fantatry ny olona sasany izany, dia tsy hisalasala ny hitady ny fomba rehetra tsy hahatongavana amin’izany izy ireny.

Ny zava-misy hitan’ny mpanoratra teo anivon’ny fiarahamonina no noresahana teo. Fa mba manao ahoana kosa ny fihetsiny manoloana izany?

2-3-1-2 ny fihetsiky ny mpanoratra manoloana

ny zava-misy hitany eny anivon’ny fiarahamonina

Tia manampy ny mpiara-belona aminy ny poeta. Tsy mijery fotsiny ireny zava- mianjady aminy ireny izy fa mitondra vahaolana ho anjara birikiny. Ireto ny fihetsik’i RADO RAMAHERISON manoloana ireny: manoro hevitra, mampahery amin’ny fijoroana ho vavolombelona, mitondra ny fijaliany amin’Andriamanitra, mampitraka.

a- ny fanoroana hevitra

Tsy tian’ny poeta tsy hahomby ny mpiara-belona aminy. Tsy mihambahamba izy manoro hevitra azy. Hoy i RADO RAMAHERISON ao amin’ny hoe: “Raha toa ka efa nisy”

“Raha toa ka efa nisy tamin’ny andronao rehetra

fotoana anankiray nametrahanao tigetra nataonao hotratrarina

kanefa hatramin’izao dia tsy mbola tratra ihany

dia fotoana mety izao, fotoana tena mety

57 VA.lah.59, op.cit.tak.76. and.2 78 hanarenana ny diso

Mihemora vetivety,banjino aloha ny lasa hanomanana ny ampitso

Todiho izay efa vita ahafahana mahita izay sisa mbola miandry

Ka raha efa izany raketinao malaky, aza iandrasana mihitsy izay tetika efa misy, aoka tsy hisy avela fa rehefa ela ny ela tsy ho ampoizinao akory dia hivaingana ho bory ho azonao tsapaina homasahana ao an-tsaina ny teti-panorenana hananganana ny fototra sy hahafahana manototra ny meloka ho ahitsy

Ihany koa raha mbola misy tsy mampandry ny eritreritra

dia midira anaty efitra amin’ny saina tena tony

ka asandrato ambony ny vavaka ao am-po fangataham-pitahiana

amin’Izy Ray Tsitoha

Velaro imasony eo

Aoka mihitsy aseho,aoka mihitsy hiharihary

fa tsinontsinona aho, tsinontsinona ianao

ka tsy hisy raha hanjary raha toa misaraka Aminy

fa tsy misy afa-tsy izay no fietrena mba tadiaviny

Ka efa nisy ve tamin’ny lasanao rehetra

79

andro anankiray nandraisanao tigetra nataonao hotratrarina

kanefa hatramin’izao dia tsy mbola tratra ihany

Efa nisy ve?

Raha toa ka efa nisy dia etsy kely ise

fotoana mety izao, meteza indray hiarina

Fotoana mety izao,“tsy lainga izay fa marina”58

Samy manana izay mba tarigetrany ny olona tsirairay eo amin’ny fianany. Samy miezaka mba hahatratra io tanjona kinendriny io izy ireny. Misy tokoa ireo tojo soa aman-tsara amin’izany. Ao koa anefa ireo mbola tsy tonga amin’izany. Toroan’ny mpanoratra hevitra eto ny mpiara-belona aminy izay tsy mbola nahatratra ny tanjona nokinasany. Asainy mitodika amin’ny lasa sy mibanjina ny efa vita izy ireny, satria miainga amin’izany ny fomba rehetra hahitana ny tapaka tokony hatohy sy ny madilana hotentenana.

Ankoatra izay, dia tsy tokony hofoanana ao an-tsaina intsony, hoy izy, izay tarigetra efa novolavolaina. Rehefa masaka ao an-tsaina mantsy izany, dia tsy maintsy mitady ny fomba rehetra hahatongavana amin’izany, ka ho vetivety ihany, dia ho tonga amin’ilay tanjona nokinendry.

Rehefa tena sahiran-tsaina koa anefa, hoy ny mpanoratra, dia mila mitodika sy miantoraka amin’Andriamanitra, manetry tena eo anatrehany. Mahay ny zavatra rehetra mantsy Andriamanitra amin’ny fiheverany. Raha tiana ho to ny faniriana, dia mila mivavaka Aminy. Tsy mahefa na inona na inona mantsy ny olombelona raha vao manalavitra Azy.

Ankoatra ny fanoroana hevitra, dia mijoro ho vavolombelona mihitsy koa ny mpanoratra ho fampaherezany ny mpiara-belona aminy.

58 V.A.lah.31, andininy rehetra 80

b-ny fampaherezana amin’ny alalan’ny fijoroana ho vavolombelona

Tena ilaina ny fampaherezana ny mpiara-belona mba tsy ho kivy izy. I RADO RAMAHERISON, dia anisan’ny tia mampahery ny mpiara-belona aminy. Tsy vitan’ny hoe mampahery fotsiny anefa, fa tena mijoro ho vavolombelona mihitsy. Hoy izy ao amin’ny: “Tsy kivy”

“Aza atao hoe be taraina raha manambara etoana

ny kapoky ny fiainana efa niaretanay

ny fitosaky ny sento, ranomasom-pijaliana

sy niaritra ny hatsiaka, danik’andro mahamay

Fony mbola zaza dia zara raha nitafy

Tsy nikiraro izany raha namonjy lakilasy

Kotsa isan’andro noho ny orana nifafy

Fanabantibantin’ny rehetra kasikasy

Nizaka isan’andro levilevy nanambany

Nifendrofendro lava nofaranan’ny tomany

Ny tanora no lazaina fa tena vonton-kery

Ny anay anefa tsy mba izany velively

Izahay raha mba nivoaka tsy nisy mba nijery

Fa ny fahantrana mantsy tsy nitsitsy raha namely

Fa soa anefa, soa tsy nahalavo anay

Ny fahoriana nahamay

Satria nataonay fady raha mbola eto an-tany

81

Izany ho kivy izany, ho resy tsy miady

Dia mivaly izany izao…

Ka aza atao hoe rediredy, nofinofy ny anay

Fa izahay, porofo velona ho anao

Raha mbola fahoriana, tsy ho anao mandrakizay”59

Tsapan’ny mpanoratra fa maro ireo mpiara-belona aminy no mandalo ady sy fitsapana mahamay eo amin’ny fiainana. Eo anatrehan’izany, dia mampahery azy ireny izy. Ny tenany mihitsy no raisiny ohatra entiny mampitraka ireny olona tojo ny ady sarotra ireny. Ambarany avokoa ny sedram-piainana nolalovany eto: ny fihafiany tamin’ny fahazazany sy ny fanaovan’ny olona azy tsintsontsinona. Tsy nampihontsona azy anefa ireny rehetra ireny, fa vao mainka aza nahatonga azy hijoro hatrany. Te haneho amin’ny mpiara-belona izy eto fa mety hisy tokoa ny zava-tsarotra iainana. Tsy natao hampifararemotra akory ireny fa natao ho fanoitra amin’ny fiainana aza. Rehefa mahay miatrika ireny sedram-piainana ireny tokoa mantsy, dia tsy maintsy mivoaka ho mpandresy eo amin’ny fiainana.

Nijoro ho porofo velona ho an’ny mpiara-belona aminy ny mpanoratra teo, fa mbola mivavaka ho azy ireny koa anefa izy.

d- ny fivavahana ho an’ny mpiara-belona

Zava-dehibe ny fitondrana am-bavaka ny mpiara-belona amin’ny tena. Anjara biriky goavana izany. Eto amin’ity tononkalo hoe: “Ady tolotra” ity, dia mitondra am-bavaka ny fiainan’ny ankohonana iray i RADO RAMAHERISON.

“Andriamanitra ô,

Tena ekeko mihitsy ny teninao nilaza

hoe mamenoa ny tany

Nandinika aho anefa ka lasa saina ihany

Sao tsy ny olona rehetra no tsara hanao izany

59 V.A.lah.68, andininy rehetra 82

Ohatra akaiky Ramatoa Rafara mipetraka ato atsimo

izay iaraha-mahalala fa ny fiainany isan’andro

dia dihina tandrimo

Mandavaka isan’andro ,mandava-pahoriana

Ka porofo ahoana indray no mampety ny hanampiana

ireo zanany efa maro,ireo naterany hatrizay?

Indray andro izay

Mba nanandrana aho niteny

Nefa novaliany

Fa harena (?) ,hono, ireny

sady fanomezanao ka tsy hitany ny hatao

Ka raha azonao hatao

Mba aoka ny hafa indray,ny hafa indray re mba jerena

Mba ajanony ny azy fa izaho indray mba omena

Tsy maninona mihitsy na dia iraika fotsiny aza

Tsy mampazoto ahy mantsy ny hoe hanangan-jaza60

Hitan’ny mpanoratra ny fahasahiranana mianjady amin’ity ankohonana voalazany eto amin’ny tononkalony ity. Marobe ny zanany, kanefa mbola miteraka ihany, satria mihevitra izy fa harena sy fanomezan’Andriamanitra izany. Mitalaho amin’ilay Andriamanitra Tsitoha i RADO RAMAHERISON vokatr’izany mba ny hafa izay tsy manana indray no homeny zanaka. Atsahatra amin’izay ny an’ity ankohonana ity fa efa ampy ny eo am-pelatanany. Manahy mantsy izy fa tsy ho velony intsony raha mbola mihoatra ireo efa eo aminy ireo.

60 V.A.lah.15, andininy rehetra 83

Tsapa araka izany fa noho ny fitiavan’ny mpanoratra ny mpiara-belona sy mpiray tanindrazana aminy no mahatonga azy hivavaka sy hanoro hevitra ary hijoro vavolombelona amin’izy ireny.

Ny fitiavana eo amin’ny sehatry ny fiarahamonina no noresahana teo. Ny hojerena manaraka kosa indray, dia ny eo amin’ny sehatry ny tanindrazana.

2-3-2 Eo amin’ny sehatry ny tanindrazana

Maro amin’ireo poeta no miresaka mikasika ny tanindrazana. Miseho amin’ny endrika isan-karazany ny fanehoany izany. I RADO RAMAHERISON, dia manana ny fomba nivetsoany izany. Mba hahafahana mahafantatra bebe kokoa ny amin’izany, dia hofaritana aloha ny atao hoe: tanindrazana, aorian’izay, dia hasian-teny ny momba ny zava-misy hitan’ny mpanoratra eto Madagasikara, ary hamaranana ny fanadihadiana, dia hojerena ireo toe-tsaina tokony hananana manoloana ireny zava-misy ireny.

2-3-2-1 ny antsoina hoe tanindrazana

Amin’i Régis RAJEMISA-RAOLISON, ny tanindrazana dia “Tany niavian’ireo razana ary ilevenany”61

Amin-dRAVELOJAONA kosa, ny tanindrazana, dia “loharanontsoa tsy misy toa azy (…) misy ny fananan’ny razana”.62

Raha ireo famaritana roa ireo no jerena, dia anisan’ny maha tanindrazana ny tanindrazana ny tany nisy ireo razana ary misy ny fananany.Raha ho an’ny Malagasy izany, dia i Madagasikara io tany io, ny tany niaviana na faritra nipoirana.

61 Régis RAJEMISA RAOLISON, Rakibolana malagasy, Editions Ambozontany Analamahitsy, 2003, tak .924 62 RAVELOJAONA, Tanindrazana sy firenena ary isika Malagasy, Imprimerie Spéciale, Anjohy, 1972, tak.72 84

2-3-2-2 ny zava-misy hitan’ny mpanoratra

eto Madagasikara

Olona miaina eo anivon’ny tanindrazany i RADO RAMAHERISON. Hitany ny zava- misy ao amin’io tanindrazany io. Ireto lafin-javatra manaraka ireto no asongadiny ao amin’ny tononkalony: tsy manana fitiavan-tanindrazana ny olona ho mpitondra, tsy manjaka ny demôkrasia eto Madagasikara, tia seza loatra ny mpitondra.

a-ny tsy fisian’ny fitiavan-tanindrazana eo amin’ny olona ho mpitondra

Tsy ny hampandroso tanindrazana loatra no hirotsahan’ny olona amin’ny tontolon’ny fanaovana pôlitika amin’ny ankapobeny. Raha ny marina anefa, dia tokony hangetaheta ny fampandrosoana io taniny io izy. Tsapan’ny mpanoratra izany tsy fisian’ny fitiavan- tanindrazana izany. Hoy izy ao amin’ny tononkalony hoe: “Izaho tsy gaga”

“Izaho tsy gaga mihitsy

raha toa ka olom-bitsy

no nazoto mba nifidy

Tsy gaga aho satria

ireo vahoaka ireo

vahoaka nahatadidy

fa n’iza n’iza teo

nilatsaka hofidiana

dia nanararaotra foana

kabary tsy valiana

dia samy nitanisa

fa tonga ny fotoana

ka ny lalana ho amboarina

85

ny fitsaboana hosokafana

ny sekoly koa hitarina

sy ny sisa sy ny sisa

izay tsy inona tsy akory

fa dia fampandriana adrisa

satria rehefa avy eo

rehefa izy no tafita

dia ireo vahoaka ireo

no nodiany indray tsy hita

Ny rehetra nolazainy tsy nisy iray nefainy

Efa azy mantsy ny zavatra nilainy

ka dia ny ho azy irery

no hany sisa nojereny

no hany sisa nimasoany

Ny tombontsoany aloha voalohany

Ny akamany faharoany

Ka izaho tsy gaga mihitsy raha toa ka olom-bitsy no nazoto mba nifidy

Tsy gaga aho satria ireo vahoaka ireo dia vahoaka nahatadidy fa hay ka vava ihany saka ihany no namidy

86

sady ihany koa izy ireo dia efa leo

fa n’iza n’iza teo

nilatsaka hofidiana

dia tsy nisy tamin’ireo

tena olom-baovao

sy mba azo nitokiana

Ka naleony tsy nifidy sy nanary koa ny zony

Efa tofoka izy mantsy sady boboka ny fony

Nisy kosa anefa datin’andro anankiray

nampirohatra azy ireo ka nipoaka tamin’izay

ny alahelony rehetra,ny alahelo hatramin’izay”.63

Asongadiny eto amin’ity tononkalo ity ireo toetra tsy mendrika ananan’ny mpanao pôlitika. Mpanao kobaka am-bava izy ireny, hoy ny mpanoratra. Mandritra ny fampielezan-kevitra ataon’izy ireny, dia maro tokoa ireo fampanantenana ataony amin’ny vahoaka hisarihana mba hifidy azy. Rehefa lany soa aman-tsara anefa izy, dia tsy notanterahiny akory izany, fa dia ny tombontsoany sy ny olona akaiky azy aloha no imasoany.

Vokatr’izany, dia tsy marisika amin’ny fifidianana intsony ny vahoaka. Leo tanteraka izy, satria lasa tandra vadin-koditry ny mpanao pôlitika io toetra io.

Ankoatra ny tsy fisian’ny fitiavan-tanindrazana eo amin’ny mpanao pôlitika, dia ambarany koa fa tsy misy ny demôkrasia eto an-tanindrazany.

b-ny tsy fisian’ny demôkrasia eto Madagasikara

Ao amin’ny firenena mandala ny demôkrasia, dia afaka maneho hevitra an-kalalahana ao anatin’ny fifanajana ny vahoaka ao aminy. Raha ny fahitan’ny mpanoratra ny zava-

63 V.A.lah.21, andininy rehetra 87 misy iainany kosa, dia tsy mbola manjaka izany raha eto amin’ny taniny. Hoy izy ao amin’ny “Voka-pandinihana”

“N’inona n’inona fotoana

nampanginana vahoaka

tsy hikomy na hitroatra

dia io baomba baomba io foana

no naely sy napoaka” 64

Potsirin’ny mpanoratra eto fa nandritra ny fotoana ela, dia tsy mba namela ny vahoaka haneho ny heviny ny fitondrana. Raha vao mba misy fihetsehana ataon’ny vahoaka, dia aparitaky ny mpitandro ny filaminana amin’ny alalan’ny baomba mandatsa-dranomaso izy ireo. Midika izay fa tsy mbola manjaka ny demôkrasia.

Tsy manjaka ny demôkrasia, hoy ny mpanoratra. Hitany koa ambonin’izany fa tia seza loatra ny mpitondra eto an-tanindrazany.

d- ny fitiavan-tsezan’ny mpitondra

Satrin’ny mpitondra hijanona eo amin’ny fitondrana hatrany. Mitady ny fomba rehetra hipetrahana amin’io toerany io izy. Hoy i RADO RAMAHERISON ao amin’ny tononkalony hoe: “Vona”

“Dia mazava izany izao

fa rehefa ny Mpitondra tia seza tafahoatra

no itakian’ny vahoaka izay akory tsy mitroatra

fa mitaky am-pilaminana, mitaky am-pahanginana

ny ara-drariny sy marina ,

64 V.A.lah.36, and.1 88

ny fahefana nampindramina

mitaky fanovana hiova fitondrana

dia odiana fanina

sy ambara foana ho mpanohitra lalàna

ka eo no ampiasana sisasisam-pahefana

Ka ampiharina avokoa

ireo nomanina taloha sy takatry ny loha

mbola heveriny hanamafy ny seza fitondrana”.65

(…)

Rehefa misy fitakiana ataon’ny vahoaka ka hitan’ny mpitondra fa mety hanohintohina azy, dia mitady ny fomba rehetra izy mba tsy hahavanona izany. Mitaky ny hanovana ny fitondrana ireto vahoaka voalazan’ny mpanoratra ao amin’ny tononkalo ireto. Tsy mihambahamba ny mpitondra milaza fa mpanohitra lalàna ny vahoaka. Manomboka eo izy, dia mampihatra ny fahefany mba hiarovany ny toerana misy azy.

Ny zava-misy hitan’ny mpanoratra eo amin’ny tanindrazany no nojerena teo. Ireto kosa àry ireo endrika hanehoan’ny mpanoratra ny fitiavan-tanindrazana manoloana ny zava- misy hitany.

2-3-2-3 endrika hanehoan’ny mpanoratra

ny fitiavan-tanindrazana

Ireto ny endrika hanehoan’ny mpanoratra ny fitiavan-tanindrazana: miady ho an’ny tanindrazana, manohitra ny tsindry hazo lena, mahafoy ny aina ho an’ny tanindrazana, mivavaka ho an’ny mpitondra.

65 VA.lah.38 ,and.1 89

a- miady ho an’ny tanindrazana

Marika iray ahalalana ny olona tia tanindrazana ny fiadiany ho an’io tanindrazany io. Rehefa miboiboika ao anatiny izany fitiavan-tanindrazana izany, tsy misy mahasakana azy mihitsy. Hoy i RADO RAMAHERISON ao amin’ny “Vaha vona”

“Tsy fantatro malala izay havoakan’ny ampitso

Ka aoka aho tsy ho diso

raha mandefa ho anao izao taratasy izao

Manafatra sahady

Mahery vaika mantsy ny aty am-bavaady

Raha toa lazaina izany,tsy mampahory akory

fa noho ny fanahiako fa sao tsy hihaona intsony

ny diantsika ry Aiko noho ny lahatra any ambony

Ka raha toa tokoany hipaika ny anjalisy

hilaza sy hanambara fa dia rava ka tsy hisy

ny ho tohin’ny tantara

dia tsarovinao Malala

ny HAMELA ny hadisoako fa nandao anao irery

Noho ny amintsika no italahoako anao tsy hihevitra ireny

na ranomaso izany na ny rehetra teny

Raha toa nataoko ireny tsy sanatria akory

tsy napetrako ho ambony irony dinantsika irony

fa noho ny nanekeko fa ilain’ny fireneko

ny hitandrovana azy

dia nanapa-kevitra aho ,handray anjara hiady 90

Ka raha sanatria tokoany

ny tsy hihaonantsika intsony

dia manafatra aho sahady

Avelako ianao, AVELAKO HANAMBADY”66

Nandray anjara niady ho an’ny firenena ny mpanoratra eto. Mafy ny zava-manjo azy any amin’ny toerana nalehany. Manahy ny amin’ny ho tohin’ny zava-misy any izy, ka nanoratra ho an’ny olon-tiany. Raha toa ka maty izy noho ny ady natrehany, dia mitsodrano ilay malalany izy hanambady, ary mangataka ity farany koa hamela ny mety ho hadisoana nataony.

Ilaina ny miady ho an’ny tanindrazana, fa mila toherina koa anefa ny tsindry hazo lena ataon’ny mpitondra.

b-ny fanoherana ny tsindry hazo lena ataon’ny mpitondra

Mila manohitra ny fanjakazakana ataon’ny mpitondra ny tsirairay. Anisan’ny manohitra an’izany ny mpanoratra. Hoy izy ao amin’ny: “Any Aina”

“Tsy fantatro ry Aiko na rahoviana no ho vita

ny fitokonanay aty

Tsy fantatro satria

miziriziry loatra ireo Mpitondra antsika

Aza na dia hoe hiarahana mahita

fa vahoaka an’alinkisa

no mitaky mihitsy mihitsy

nitaky fiovana

Ary aza hatramin’izao

66 VA.lah.14, op.cit.tak.31, andininy rehetra 91

iarahana mahalala

fa tsy fitakiana adala

izao fitakiana izao

fa dia fitakiana rariny

fitakiana zo

izay tsy nomeny hasina

Ka aza tsiny Sombinaiko

fa Dada raha mitolona

dia efa mihitsy vonona

hitaky hatramin’ny farany

satria dia ny hoavin-janany

no tsinjoviny amin’izany

dia ny hoavinao ry Aiko

izay apetrako ao an-tsaiko

ho manan-danja sy ambony”67

Nandray anjara tamin’ny fitokonana ny mpanoratra. Misy ny tsindry hazo lena ataon’ny mpitondra mantsy, ka ny hanohitra izany no antony nitokonany. Voatery nandao ilay sombin’ny ainy izy, ka mangataka ity farany mba tsy hanome tsiny azy, satria fitiavana azy no nanaovany izany; ny ho avin’ny zanany any aoriana no jereny.

Tsara ary ilaina tokoa ny manohitra ny tsindry hazo lena ataon’ny mpitondra, fa mila mahafoy ny aina ho an’ny tanindrazana koa anefa.

67 V.A.lah.37, andininy rehetra 92

d- ny fahafoizana aina

ho an’ ny tanindrazana

Maro ireo Malagasy tia tanindrazana taloha. Tsy nampaninona azy ireny ny nahafoy ny ainy ho an’ny tanindrazany. Mampirisika ny vahoaka koa eto ny mpanoratra ao amin’ny “Vona” mba tsy hihemotra mihitsy, na dia mety hiafara amin’ny ra latsaka sy ny aina hafoy mihitsy aza izany ho fanoherana ny tsy rariny ataon’ny mpitondra.

(…)

Fa mazava koa anefa

fa rehefa ny vahoaka no vonona tsy hilefa

sy tsy hihemotra intsony

amin’ny marina itompoany na basy aza hipoaka

dia ireny rehetra ireny mihitsy no tsy ekeny

Ary izy amin’izany dia mijoro an-karihary

ka dia tonga tsy manjary ireo didy aman-dalàna

mitory fangejana68

(…)

Ankoatra ny fahafoizana ny aina ho an’ny tanindrazana, dia ilaina koa anefa ny mivavaka ho an’ny mpitondra.

e- ny fivavahana ho an’ny mpitondra

ny firenena

Ny vavaka manova zavatra. Ilaina araka izany ny vavaka, indrindra ny vavaka ho an’ny mpitondra. Sady fitiavana ny firenena sy ny tanindrazana ny fivavahana ho azy. Hoy i RADO RAMAHERISON ao amin’ny “Andriamanitra ô!”

“Andriamanitra ô!

68 V.A.lah.38.op cit.tak.89, and.2 93

Ononinao ny foko rakofan’ny toloko

noho ilay mpitondra iny izay nomeko fahefana

kanefa mampanjaka amin’ny fomba tafahoatra

ny tsy rariny mazàna

Iniany tsy jerena izahay izay nanantena

ny hahavita izay niriny

ka iangaviako Ianao,italahoako ankehitriny

tsy ny hijaliany akory no zavatra ilaiko

kanefa kosa Raiko ataovy mba tsaroany

fa noho ny fahefany mihatra fahatany

dia efa maro mihitsy no efa mitomany,

mitomany noho izany

Ka handrao ho neniny ihany

Ho tanteraka any izany”.69

Malahelo tanteraka noho ny fihetsiky ny mpitondra eto ny mpanoratra. Mangataka fampiononana amin’Andriamanitra izy. Mangataka ihany koa izy mba hikasika ny fon’ny mpitondra Andriamanitra ka hampahatsiaro azy fa mijaly loatra ny vahoaka noho ny ataony. Rehefa mahatsapa izany mantsy ny mpitondra, dia inoana fa hijery ny vahoaka izy.

Fehin’ny fizarana faharoa

Tao amin’ny fizarana faharoa no nezahina novahavahana ireo sehatra samihafa nanehoan’i RADO RAMAHERISON ny fivetsoana fitiavana. Noresahina tamin’izany

69 VA.lah.61, andininy rehetra 94 ny teo amin’ny olon-droa mifankatia, ny teo amin’ny ankohonana sy ny fianakaviana, ary ny teo amin’ny fiarahamonina sy ny tanindrazana.

Raha ny teo amin’ny olon-droa mifankatia, dia noresahana ny fitsirin’ny fitiavana. Tamin’izany no nahitana fa lafin-javatra maro no mety hampitsiry ny fitiavana toy ny: volo, hodi-tava, maso, molotra, famindra. Eo ihany koa ny toetra amam-panahy. Nasian-teny avy eo ny momba ny fanehoam-pitiavana: fizarana teny mamy, fanajana ny olon-tiana sy fanomezan-danja azy manoloana ny hafa, ary ny fanokanana fotoana ifampiresahana manokana eo amin’ny mpifankatia. Taorian’izay,dia novahavahana ny amin’ny fivelaran’ny fitiavana. Tamin’izany no nahitana fa manana ny heriny izy , ary mety handalo sedra maromaro.

Teo amin’ny sehatry ny ankohonana sy ny fianakaviana kosa no nanasongadinana ny fitiavan’ny Ray aman-dReny ny sombin’ny ainy andaniny, ary ny fitiavan’ny zanaka azy ireo ankilany.

Raha ny teo amin’ny fiarahamonina sy ny tanindrazana indray, dia novelabelarina ny momba ny zava-misy hitan’ny mpanoratra teo amin’ny fiarahamonina sy ny tanindrazana.

Ny fizarana manaraka kosa no hijerena ny fomba nanehoan’ny mpanoratra ny vetsom- pitiavana.

95

FIZARANA FAHATELO: NY FOMBA NANEHOAN’NY MPANORATRA NY VETSOM-PITIAVANA

96

III- NY FOMBA NANEHOAN’NY MPANORATRA NY VETSOM-PITIAVANA

Lalana tsy maintsy izorana eo amin’ny fikirakirana sy fanadihadiana asa soratra iray ny fijerena ny fomba fanehoan-kevitry ny mpanoratra. Samy manana ny mampiavaka azy mantsy ny mpanoratra tsirairay eo amin’ny fomba filazan-javatra. Manan-danja tokoa ity farany raha eo amin’ny sehatry ny haisoratra. Hoy i Siméon RAJAONA (1926-23- 06-2013) milaza izany :

“ (…) tsy ho enti-mamitaka na entina manakona kilema ny fahaiza-manoratra eo amin’ny literatiora, tena votoatin-javatra mihitsy koa, mitovy zo sy sata amin’ny hevitra sy ny fihetseham-po ampijoroana ny tantara an-kilany ary ny fomba enti-milaza azy an-daniny. “70

Ireto lafin-javatra manaraka ireto no hovelabelarina eto ambany:

 ny filalaovana amin’ny fomba fanoratra  ny filalaovana amin’ny voambolana  ny filalovana amin’ny sarin-teny isan-karazany

3-1 Ny filalaovana amin’ny fomba fanoratra

Ny tiana hambara amin’ny hoe filalaovana amin’ny fomba fanoratra eto, dia ny fomba nentiny nampiasa ireo mari-pijanonan-tsoratra vitsivitsy, ny endrika isehoan’ny fehezanteny na andian-teny ao amin’ny tononkalo, ary ny bika aman’endriky ny andininy sy andalana.

3-1-1 filalaovana amin’ny mari-pijanonan-tsoratra

Tsy mandehandeha ho azy akory ny fampiasana ny mari-pijanonan-tsoratra ao anatin’ny asan’ny mpanoratra fa tena misy dikany sy lanjany tokoa. Rehefa nokirakiraina ny tononkalon’i RADO RAMAHERISON, dia ireto no misongadina ao ka hovelabelarina etsy ambany: ny teboka telo, ny baraingo, ny teboka roa, ary ny tsoraka.

70 Siméon RAJAONA, Takelaka notsongaina 2, Editions Ambozontany Analamahitsy Antananarivo, 2003, tak 20. 97

3-1-1-1 fampiasana teboka telo

Mampiasa teboka telo i RADO RAMAHERISON rehefa tiany hofenoin’ny mpamaky ny zavatra tsy voalazany na tsy voatanisany ao anaty tononkalo. Hoy izy ao amin’ny “Vao mba…”

“Vao mba nomena toky dia nitia tamin’ny fony

Vao mba nomena toky dia tsy nisaina intsony

Vao mba nomena toky dia tsy nisy iray ninoany…

Vao mba nomena toky dia tsy nisy iray tsaroany…

Vao mba nilazana tiana dia nino tamin’ny fony

Vao mba nilazana tiana dia hadalana no nataony

Vao mba nilazana tiana dia voadona fanindroany”71

Ambarany eto amin’ity tononkalo ity ireo toetra ananan’ny tovolahy na ny tovovavy rehefa injay ka entanim-pitiavana fotsiny. Tsy mba misy famakafakana sy fanadihadiana lalina ilay olona tiavina fa avy hatrany dia mitia. Vokatr’izany, tsy mateza ilay fiarahana fa mora rava. Tiany haseho eo amin’io lohateny arahina teboka telo io fa mbola misy hafa ankoatra ireo voalazany ireo, ny toetran’ny tovolahy sy tovovavy rehefa jamban’ny fitiavana izy ireo, ka ny mpamaky no asainy mameno izany.

Toy izany koa no hita ao amin’ny “Aza manontany akory”

“Aza manontany akory hoe nahoana ianao no iangarako

fa ny valiny dia tsotra mantsy ianao fitiavako?

Aza manontany akory hoe nahoana ianao no tiako

fa ny valiny dia tsotra,ianao irery ihany no maharaka ny diako?

71 V.A.lah.22, andininy rehetra 98

Aza manontany akory izay ho fiainantsika ampitso

fa ny valiny dia tsotra,n’iza n’iza olo-miaina dia tsy misy anjara diso

Aza manontany akory irony lasantsika irony

fa handratra ihany ireny ka aza fohazinao intsony

Aza manontany akory…”72

Sesehena ny fanontaniana ao anatin’ny olona tsirairay rehefa tojo ny tiany izy, na mikasika ny fihetsika ataon’ilay olon-tiany azy izany, na mikasika ny ho fiainam- pitiavany, eny fa hatramin’ny tantaram-pitiavany ihany koa aza. Raran’ny mpanoratra eto ireo olona manana izany toetra izany mba tsy hanao izany. Mbola betsaka ny fandrarana tiany hatao fa ny mpamaky no tiany hitady sy hikaroka izay tsy voalazany amin’ny alalan’io teboka telo io.

Hoy koa izy ao amin’ny “Te…anao”

“Maniry anao izao ny amiko

fa feno anao daholo rehefa mety ho aliko

Feno koa anao ny tontolon’ny vinaniko

Feno koa anao ny rivotry ny akaniko

ka mba vangivangio

sy mba tsiditsidiho e

fa manina anao”73

Te hampieritreritra ny mpamaky izy eto. Tsy nataony mazava avy hatrany ny lohateny fa ny mpamaky no asainy manohy any an-tsainy izay tiany hambara.

72 V.A.lah.25, op.cit.tak.37, andininy rehetra 73 VA.lah.32, andininy rehetra 99

Fa ampiasainy koa anefa ny teboka telo rehefa injay feno loatra ny ao am-pony ka tsy hainy kobonina any anatiny intsony. Izany no hita ao amin’ny “Tia anao aho”

“Tia anao aho raha tsorina ny resaka

Tia anao aho,tia anao tanteraka”74

Tsy hainy tohaina ny fitiavany an’ilay olon-tiany. Tsy nanao safeli-teny intsony izy fa ny tao am-pony avy hatrany no naborany.

Ankoatra ny fampiasana teboka telo, dia tsikaritra ao amin’ny tononkalon’ny mpanoratra ihany koa ny baraingo.

3-1-1-2 fampiasana baraingo

Amin’ny ankapobeny, ampiasaina ny baraingo rehefa hanontany. Mampiasa baraingo kosa ny mpanoratra ao amin’ny tononkalony rehefa maneho fahadisoam-panantenana tamin’ny olon-tiany izy. Hoy indrindra izy amin’ny: “Fa maninona?”

“Fa dia nahoana indrindra

No sahinao lazaina

Ho tsy afaka hifandrindra

Ny fitiavantsika ry Aina?

Kanefa, vao omaly

Vao omaly no omaly

Dia mbola ianao nilaza

Dia mbola ianao namaly

Tamin-tsiky falifaly

Fa ny antsika tsy ho rava

Na oviana na oviana

74 VA.lah.74, andininy rehetra 100

Satria isika roa

Dia tia samy tiana

Ka dia nahoana indrindra

No sahinao lazaina

Ho tsy afaka hifandrindra

Ny fitiavantsika ry Aina?

Nahoana?”75

Ny lohateny fotsiny eto, dia efa ahitana baraingo sahady. Fanontaniana maneho anton- javatra. Manontany tena lalina eto ny mpanoratra, satria nandiso fanantenana azy ny olon-tiany. Voafitaky ny tiany izy. Nivadika taminy ity farany izay niankinan’ny fony. Zendana izy ka mametra-panontaniana.

Ankoatra izay, dia ampiasainy koa ny baraingo rehefa maneho fahagagana ny amin’ny fiainam-pitiavana nolalovany izy. Hoy izy ao amin’ny: “Naninona?”

“Tsaroanao va malala

Fa andro mamanala

Tahaka izao indrindra

No andro nihaonantsika ?

Va ianao mahatsiaro

Fa nisy tamin’izay

Rotsadrotsaka fanala

Kanefa mahagaga

Fa tsy nisy anankiray

Nitaraina tamintsika ,

75 V.A.lah.35, andininy rehetra 101

Nitaraina nangatsiaka

Fa naninona àry?

Naninona àry isika?”76

Tena talanjona tamin’ny fiainam-pitiavana nolalovany ny mpanoratra eto. Manontany ny olon-tiany izy mikasika izany. Andro namirifiry no nihaonan’izy ireo, kanefa tsy nahasakana azy ireo tsy hifankatia izany. Tsy nisy nahatsiaro ho nangatsiaka akory.Tena te hahalala ny anton’izany izy ka mametra-panontaniana sesilany. Ambarany ankolaka anefa fa ny fitiavana no nanafana azy roa.

Tsy izay voalaza izay ihany anefa no ampiasany ny baraingo, fa rehefa te hampieritreritra ny olona amin’ny hadisoana nataony koa izy , dia mampiasa izany. Hoy izy ao amin’ny “Nahoana ange ianao”

“Nahoana ange ianao,nahoana no tomany?

anefa ataoko iky ny molotrao io ihany

efa ho andro maromaro

no nandroaka hatrany hatrany

tsy alina tsy antoandro

Nahoana ange ianao, nahoana no tomany?

Nahoana ankehitriny no izao vao manontany

ny ora nialany, ny lalana nombany?

Nahoana ange ianao no izao vao latsa-nenina?

Anefa ny hadisoany mbola azo noleferina

Nahoana tamin’ireny no nanentsina tadiny

76 VA.lah.53, andininy rehetra 102

tsy laitra notenenina

ka fe ankehitriny tonga aty mipenimpenina?

Mantsy tamin’ireny raha mba azo ianao natoro

dia tsy nisy akory izato tebiteby, izato horohoro”77

Rotsa-dranomaso tamin’ny zavatra nataony ity olona voalazan’i RADO RAMAHERISON eto amin’ny tononkalony ity. Nanao vava tsy ambina ka nahavita nandroaka ny vadiny. Rehefa tena nandao azy tokoa anefa ity farany, dia manimanina sy mitady azy indray. Sady te hampieritreritra eto ny mpanoratra, no toa mandatsa ihany koa, ary te hanitsy ny fomba fiainan’ny ny mpivady ao an-tokantrano. Mety hisy tokoa mantsy ny tsy fifanarahana ao an-tokantrano, kanefa tsy tokony ho entim-po fa hifandamina araka izay azo atao. Rehefa ao anaty fahatezerana mantsy ny olona, dia tsy mifidy vava avoaka, satria ny fo rano mafana, hoy ny fitenenana.

Tsy ny baraingo ihany akory no ampiasain’ny mpanoratra anehoany hevitra. Mampiasa teboka roa ihany koa izy.

3-1-1-3 fampiasana teboka roa

Manan-danja ao amin’ny tononkalon’i RADO RAMAHERISON tokoa ny teboka roa. Ampiasainy io mari-pijanonan-tsoratra iray io rehefa mitanisa sy mitantara amin’ny olon-tiany ny tantaram-pitiavan’izy ireo izy. Izany no hita ao amin’ny tononkalony hoe: “Fitoriana”

“Tamin’iny lalana iny:nifanenako taminao

Tamin’iny lalana iny:niandrasako anao

Tamin’iny lalana iny:nanaterako anao

Tamin’iny lalana iny:mazàna ianao tomany

Tamin’iny lalana iny:nampanginako noho izany

Tamin’iny lalana iny:mazàna isika nifamaly

77 V.A.lah.65, andininy rehetra 103

Tamin’iny lalana iny:nitsiahivana ny omaly,ny omaly nahafaly

Tamin’iny lalana iny:nifampitantana isika

Tamin’iny lalana iny: manga ery ny diantsika

Tamin’iny lalana iny:nitantarana izao sy izao

Tamin’iny lalana iny:satrintsika tsy hifandao

Fa afaka andro fito kosa?

Amin’iny lalana iny no hampakarako anao”78

Tsy takona afenina eto fa sesilany tokoa ny teboka roa ampiasain’ny mpanoratra. Miisa 12 izy ireo. Ahitana azy ny andalana tsirairay afa-tsy ireo andalana roa farany izay vokatry ny voalaza rehetra teo aloha. Nampiasainy izany hoentiny mitanisa ny tantaran’ilay toerana nahitany ny olon-tiany. Toerana tsy hain’izy ireo hadinoina mantsy ity toerana ity, satria nifamahofaho teo amin’ io avokoa na ny soa na ny ratsy teo amin’ny fiainam-pitiavan’izy ireo.

Nanana ny heviny ny fampiasan’ny mpanoratra teboka roa tao anatin’ny tononkalony. Mbola manana ny lanjany ihany koa anefa ny fampiasany ny tsoraka.

3-1-1-4 fampiasana tsoraka

Anisan’ny fomba iray anehoana ny fihetseham-po ny fampiasana tsoraka. Tsy mahagaga araka izany raha mampiasa tsoraka ny mpanoratra na ny poeta ao anaty asa sorany,s atria maneho ny fihetseham-pony izy.

Ho an’i RADO RAMAHERISON, dia mampiasa tsoraka izy rehefa milaza ny ao am- pony amin’ny olon-tiany. Hoy izy ao amin’ny “Ilako anao”

“Malala a!

Raha tsy maintsy aho manadino

78 VA.lah.9, andininy rehetra 104 dia meteza ianao mba hino fa fitiavana tokoa ilay notrotroiko tamin’iny

Eny mandrak’ankehitriny dia mbola tiako ianao, fitia tsy kilalao.

Malala a!

Isika mahalala izay nitranga tamin’iny

Ary ifonako eto anio izay fihetsiko rehetra

nanery anao hametra ito tanako ankavia

Tsy sitrapoko ireny,tsy nosainiko ihany koa

Fa ditran’ny fitia niredareda loatra

teo am-pahitana an-dry

Ka nanjary tafahoatra izay nahatrako anao

Malala a!

Terena aho hanadino noho ny zava-misy

Kanefa akia indrisy

Izaho tsy mbola mino

Mantsy lalim-paka,anatiko ao manjaka ny fitiavako anao

(“Tia fotsiny amin’izao”)

Malala a!

Raha tsy maintsy aho manadino

dia meteza indry mba hino

fa tsy efako irery ka ilako anao indrindra

105

ny handresy lahatra ahy handehanako hifindra

Ilako anao tokoa

Ho lava be ny teny

raha lazaiko ombieny ombieny

izay tato am-poko tamin’ireny”79

Miontana be ihany ny fon’i RADO RAMAHERISON eto. Aborany amin’ny olon-tiany avokoa ny tena ao am-pony. Tiany tanteraka ity malalany ity ka anehoany ny vetsovetsom-pony rehetra. Manao izay hampino ity andrian’ny fony ity mihitsy izy fa tena matotra ny fitiavany azy. Tena manan-danja eo amin’ny fiainany mantsy ity farany ka tsy hainy ny hitady fitia any an-kafa.

Ampisainy koa ny tsoraka rehefa miantoraka amin’Andriamanitra izy. Hoy izy ao amin’ny “Andriamanitra ô!”

“Andriamanitra ô!

Impiry aho moa raha vao miandoha ny taona

No tsy naka fikasana, fikasana hanafoana

ireo fahazaran-dratsy mampisaraka antsika

Ho fitaratra jinery ,ho fahazavana manjopiaka?

Nefa indrisy ,tsy maharitra akory

dia mankamamy indray fahoriana mampahory

Fa mantsy aho dia malemy,malemy fa irery

ka mizotra dia mizotra,mizotra mba ho very

Ankehitriny kosa, maka fikasana tsara

Mba himpody anilanao,manantena tsy ho voarara

79 VA.lah.48, andininy rehetra 106

Nefa ho’aho malemy,ka miantoraka Aminao

Ka mba ekeo indrindra izao fivavako eto izao

Mbola tany mantsy ny eto ka hamitaka hatrany

Fa raha miaraka Aminao dia zavatra hafa mihitsy izany

Miantoraka Aminao, mangata-pahendrena

Miantoraka Aminao an-tsitrapo tsy noterena”80

Abaribariny amin’ilay Nahary mihitsy eto fa tsy tanteraka izy. Tsy mahamenatra azy ny manambara ny fahotany amin’Andriamanitra. Mino sy manantena mantsy izy fa rehefa manatona ilay Ray Tsitoha, dia ho voavelany ny heloka. Mitalaho fatratra amin’Andriamanitra izy mba hanohana azy, satria mbola olombelona ihany ka be siasia.

Hoy ihany koa izy ao amin’ny “Andriamanitra ô!”

“Andriamanitra ô!

Inty mpanomponao mba miangavy mitalaho

Meteza indrindra Ianao,meteza Ianao mba hihaino

Izao minitrako eto izao fa mavesatra ny foko,

Mivesatra alahelo

Tsy misy maheno, tsy misy mahatsapa,

Tsy misy mahalala

Fa izaho dia izaho irery

Eny, izaho dia izaho irery

No tsy maintsy fa voatery ato an’efitro mangina

Manotrona mijery ity vesa-pahoriana

Mantsy tsy afa-misafidy fa na tiana na tsy tiana

80 VA.lah.63, andininy rehetra 107

Dia zakaiko ity mangidy

Ity mpanomponao,dia mbola nofo ihany,

malemy dia malemy ka tsy naharesy akory

ireny fahotana ireny no maniry ankehitriny,

maniry indrindra indrindra tsy hamerina intsony

ka miantoraka Aminao ry Andriamanitro ao ambony

mamelà ny fahotako indrindra indrindra Tompo

ireo izay nampaloto ny fotoam-pahatanorako”81

Tojo ny sarotra sy sedra mahamay ny mpanoratra eto. Mangidy ary mila tsy ho zaka amin’ny maha olombelona nofo sy ra izany. Tsy misy azony atao anefa afa-tsy ny fivavahana sy fitalahoana amin’ny Mpamonjy. Mangata-pamelana amin’Andriamanitra izy ny amin’ny hadisoana rehetra vitany.

Ny filalaovana amin’ny mari-pijanonan-tsoratra no nezahina navohitra teo. Tsy nataotaon’ny mpanoratra fotsiny izy ireny fa nisy heviny avokoa. Fa manao ahoana kosa indray àry ny amin’ny endriky ny fehezanteny ampiasain’ny mpanoratra?

3-1-2 filalaovana amin’ny endri-pehezanteny

Azo anatsoahana hevitra ihany koa ny endriky ny fehezanteny ampiasain’ny mpanoratra. Raha nohalalinina sy nohadihadiana ny tononkalon’i RADO RAMAHERISON, dia tsapa fa tia mampiasa fehezanteny amin’ny filaza mandidy izy, ary koa tia manatsofoka teny na andian-teny ataony sora-baventy na sora-mandry ao anatin’ny tononkalony. Ny mety ho hevitr’ireny no ezahina hojerena eto ambany.

3-1-2-1 ny fampiasana fehezanteny amin’ny filaza mandidy

Amin’ny ankapobeny ny filaza mandidy, dia filazana baiko hentitra na faniriana hanaovan-javatra iray. Raha ny hita ao amin’ny tononkalon’i RADO RAMAHERISON, dia ireto no hevitr’izany filaza mandidy izany.

81 VA.lah.70, andininy rehetra 108

a-filaza mandidy maneho fangatahahana hanao zavatra iray

Hita izany ao amin’ny: “Raha ho avy Malala”

“Raha ho avy malala ny ora mangidy

tsy maintsy anekena tsy misy ankifidy

dia tongava ianao,ianao irery

tongava hijery ity efitra ity

Mantsy Malala ity efitra ity

efitra hafa tsy toy ny rehetra

fa teto eny mantsy

no nahita andro ireo epistily

sy ireo taratasin’ny tia nifamaly

izay tsara tahiry

Ato ihany koa

Ato no mandry ny lasa taloha,

ny lasa omaly

Ekeko tokoa fa dia hangirifiry izay ora izay

Hangirifiry kanefa izao

Izaho no miangavy sy koa mitalaho

anao mba ho sahy

109

Ka izay re hatao hahatsiarovanao ahy”82

Lalana tsy maintsy diavin’ny manana aina rehetra ny fahafatesana. Efa manalokaloka ity olona voalazan’i RADO RAMAHERISON ao amin’ny tononkalony ity izany. Mangataka ny olon-tiany izy raha toa ka migadona izany fotoana izany mba tsy hanadino ny efitra nisy azy roa. Efitra nanan-tantara teo amin’ny fiainan’izy ireo mantsy izany efitra izany ka tsy tokony hohadinoina. Antenainy fa rehefa mahita ilay efitra ny malalany, dia toa mahita azy ihany, hany ka tahaka ny mbola tsy maty ihany izy.

Toy izany koa no hita ao amin’ny tononkalony hoe: “Noho ny aminao”

“Noho ny aminao sy noho ny zanatsika

Tsofy rano fa handao ito tokantranontsika

Aza arahina alahelo fa tsy sitrapoko izao

Aiza ve akia hatrizay ka hatrizao

dia tsy mbola tsinjo ihany izay tara-pahazavana

mitsidika amintsika hisiam-panantenana

Tsy fisiana foana no mitoetra ato an-trano

ka sao lahy tara loatra ka hiditra ny angano

raha mbola hiandry foana

Miroso hatrany hatrany,mandroso ny fotoana83

(…)

Mangataka tsodrano amin’ny vadiny eto ity raim-pianakaviana iray ity mba hamela azy hitady ravinahitra. Mahatsapa izy fa mbola miaina ao anaty tsy fahampiana. Manahy ny ho vokatr’izany eo amin’ny fiainan-tokantranony izy ka voatery handao ny vady aman- janany hitady ny mahasoa azy ireo.

Maneho izany koa ilay tononkalo hoe “Miondàna indray”

82 VA.lah.27, andininy rehetra 83 VA.lah.56, and.1 110

“Miondàna indray Malala eto an-dohan-tratrako eto

mba handrenesanao ny hirahiram-poko

sy hampanaiky anao fa hatrizao aloha,hatreto

dia tsy mbola miova mihitsy ny fenitra ijoroako:

Tiako ianao”84

Toa efa fahazarana ho an’ny mpanoratra ny fihetsika maneho fitiavana toy izao: mampiondana ny olon-tiany eo an-tratrany. Mbola tiany haverina indray izany. Miantso ny malalany eto izy mba hiondana eo an-tratrany indray, satria mandritra izany no anehoany fitiavana amin’ ity mamin’ny fony.

Ny filaza mandidy maneho fangatahana hanao zavatra iray no nojerena teo.Tsapa koa anefa fa mampiasa filaza mandidy ny mpanoratra rehefa mitalaho amin’Andriamanitra.

b-filaza mandidy maneho fitalahoana amin’Andriamanitra

Hoy ny tononkalo hoe: “Andriamanitra ô!

“Andriamanitra ô!

Inty mpanomponao mba miangavy mitalaho

Meteza indrindra Ianao,meteza Ianao mba hihaino

izao minitrako eto izao fa mavesatra ny foko,

mivesatra alahelo

Tsy misy maheno,tsy misy mahatsapa,

tsy misy mahalala

fa izaho dia izaho irery

Eny, izaho dia izaho irery

84 V.A.lah.30, op.cit.tak.41 111

no tsy maintsy fa voatery ato an’efitro mangina

manotrona mijery ity vesa-pahoriana

Mantsy tsy afa-misafidy fa na tiana na tsy tiana

dia zakaiko ity mangidy

Ity mpanomponao, dia mbola nofo ihany,

malemy dia malemy ka tsy naharesy akory

ireny fahotana ireny no maniry ankehitriny,

maniry indrindra indrindra tsy hamerina intsony

ka miantoraka Aminao ry Andriamanitro ao ambony

Mamelà ny fahotako indrindra indrindra Tompo

ireo izay nampaloto ny fotoam-pahatanorako”85

Miaiky ny fahotana vitany eto ny mpanoratra. Amin’ny maha olombelona azy moa, dia tsy tanteraka izy akory. Mahatsiaro ho tsy mendrika eo anatrehan’Andriamanitra izy. Noho izany, dia mitalaho fatratra Aminy hamela ny heloka vitany sy hihaino ny vavaka izay asandrany.

Hoy koa izy ao amin’ny: “Mba omeo indray”

“Andriamanitra ô,

Izao ranomasoko eto izao,aza ataonao tsinontsinona

Ny vadiko eny mantsy efa zary tsy tohinina

Fa leo, hono, leo andraso andraso

Efa maika hitaiza dimby hamelo-maso

85 V.A.lah.70, op.cit .tak.107 112

Andriamanitra ô,

Faharavako tokantrano no efa indro mitatao

Ka aoka ho sitrakao indrindra,izao ankehitriny izao

Mba omeo aho re,na dia iraika fotsiny aza

Fa ivalozako eny neniko, ilay izaho nanala zaza”86

Mizaka ny tsy eran’ny ainy indrindra ity tovovavy voalazan’i RADO RAMAHERISON eto amin’ny tononkalony ity. Noho ny fitondrantena tsy mendrika nataony teo aloha, dia nanjary tsy nahazo zaza intsony izy. Loza mitatao ho an’ny tokantranony izany, satria mety hiafara amin’ny fisaraham-panambadiana. Tena mafy tokoa moa izany tsy mba hanana taranaka handimby izany. Koa dia miantoraka amin’Andriamanitra ary mifona Aminy izy noho ny hadisoana nataony. Mangataka ny famindrampon’ilay Nahary, ary mangataka Aminy mba homeny zaza.

Ankoatra ny fampiasan’ny mpanoratra filaza mandidy maneho fitalahoana amin’Andriamanitra, dia ampiasainy koa izany entiny maneho fampaherezana.

d- filaza mandidy maneho fampaherezana

Tia mampahery ny mpiara-belona aminy i RADO RAMAHERISON. Hita taratra ato amin’ny tononkalony izany. Ny filaza mandidy no entiny anehoana izany.

Jereo anie ity tononkalony ity hoe: “Dia sodoka teo ianao”

“Dia sodoka teo ianao, sodokan’ny matoatoa-keviny

Tsy nisaina kely akory fa babon’ireo teniny

Vao nisioka fotsiny izy dia nanatona ianao

Akory ny hafaliany nahazo kilalao

Dia faly ery ianao nianoka ny fiarany,

Dia ianao tsy mahalala ny marina tantarany

Fa jamba mantsy ianao,jamba noho ny vola

86 VA.lah.16, andininy rehetra 113

Vetivety foana dia nahay ianao niangola

Dia tonga àry izy, tonga hilalao

Efa ela mantsy no niandrasany an’izao

Dia nilalao tokoa fa navela hanaram-po

Ianao nandritra izany tsy nitsapa ny ho farany

Ka izao va manontany ny lalana nodiaviny

Anefa tara loatra vao tonga saina ianao

Izy any izay efa mihaza remby vao

Tsy sanatria mandatsa raha manambara izany

Fa mampahatsiaro anao hoe mamitaka ny tany

Izao kosa anefa ho fanampiako anao

Ny sisa no tandrovy, fadio ny hivary lavo

Mitràka hatrany n’inona n’inona mahazo”87

Mitondra faisana tokoa ity tovovavy voalazan’ny mpanoratra eto ity. Diso fanantenana tamin’ilay olona notiaviny izy. Nataony ho andry iankinana kinanjo nivadika taminy. Tsy nijery sy namakafaka lalina momba ity olon-tiany ity izy. Taitra ny fihetsika ivelany fotsiny fa tsy mba nisaina izay mety ho toetran’ity farany. Rehefa nilaozany vao tonga saina. Tsapan’ny mpanoratra fa mety miaina toe-javatra tahaka izany koa ny mpiara-belona aminy. Ampahereziny mba tsy ho kivy ny amin’ny fisehoan-javatra tahaka izany izy ireny. Tsy ilaina ny mitanondrika amin’izay tranga miseho rehetra, hoy ny mpanoratra fa mila mahery hatrany.

Hoy koa izy ao amin’ny: “Manala alahelo”

87 VA.lah.67, andininy rehetra 114

(…)

“Tsy azo lavina tokoa

fa dia rendrarendram-po

ny toky izay nomeny

ny voady izay nekeny,

Mantsy ankehitriny

nitampody ny olon-tiany

ka nandresy lahatra azy

dia resy ilay zavavy

ka nandrava avy hatrany

ny fototry ny akany

Fahasahiana any izany!

Nefa mitrakà, fafao ny ranomaso

Ny lanitra hitsara sy hamaly no andraso”88

Voafitaky ny tiany ity tovolahy iray ambaran’ny mpanoratra eto ity. Nivadika tamin’ny dina nataony ilay tovovavy. Nampanantenainy sy nomeny toky fatratra ilay tovolahy, kanjo tsy notanterahany akory izany. Rehefa voarebirebin’ilay olon-tiany taloha izy, dia nahavita nandao ilay tovolahy. Tsy tokony ho kivy amin’izany, hoy ny mpanoratra, fa ao ilay Andriamanitra mahita ny zava-drehetra hitsara sy hamaly ny zava-bitan’ny tsirairay.

Mampiasa ny filaza mandidy maneho firarian-tsoa sy fampaherezana ny olon-tiana koa ny mpanoratra. Hoy izy ao amin’ny “Noho ny aminao”

88 V.A.lah.55, op cit. tak.57, and.2, and.3 115

(…)

Masinà ianao Malala,ry tsy foiko indrindra izany

Etsy mitrakà etsy ho fafako “ny oran’ny tomany”89

Voatery hisara-toerana izy mivady eto ka manao veloma an-dravehivavy ralehilahy. Noho ny alahelo mahazo an’ilay vehivavy ny amin’ny tsy fahitany ny vadiny, dia rotsa- dranomaso izy. Ampaherezin’ilay rangahy izy manoloana izany mba tsy ho kivy, satria hikaroka ny soa ho azy ireo no handaozany azy.

Ny fampiasan’ny mpanoratra fehezanteny amin’ny filaza mandidy no nojerena teo. Tsapa ihany koa fa mampiasa sora-mandry matavy sy sora-baventy izy ao anaty tononkalony.

3-1-2-2 fehezanteny ahitana sora-baventy

sy sora-mandry matavy

Tsy nosoratana befahatany fotsiny ny fomba nanoratana ny teny na andian-teny ao anaty asa soratry ny mpanoratra sy ny poeta fa misy tanjona kinendriny amin’izany. Tsikaritra ao amin’ny tononkalon’i RADO RAMAHERISON ny fampiasany sora- mandry matavy sy sora-baventy ao amin’ny fehezanteniny.

a- ny fehezanteny ahitana sora-mandry matavy

Mampiasa sora-mandry matavy i RADO RAMAHERISON rehefa manantitrantitra ny fahamarinan’ny fiheverana iray. Hoy izy ao amin’ny “Mahandrasa kely”

“Voaraiko omaly hariva ny taratasinao

Taratasy manambara fa tia ahy ianao

Tsy omeko tsiny ianao fa mafy izany tia

Kanefa raha izao dia tsy afaka aho hamaly

Tsaroako foana mantsy ilay izaho naratra omaly

89 V.A.lah.56, op.cit. tak.110, and.4 116

Ka mahandrasa kely na ho eny na ho tsia”90

Asehony mihitsy eto fa mijaly rehefa tia ka nasongadiny amin’ny sora-mandry matavy ny teny hoe: “fa mafy izany tia”. Tsy hay afenina sy kobonina any anaty ny fitiavana olona iray fa tsy maintsy aboraka. Na eo aza anefa izany, dia asongadiny ihany koa fa miteraka olana sy fahavoazana ny tsy famakafakana lalina izay olona hotiavina. Tiany ho tsapan’ny mpamaky izany ka nataony sora-mandry matavy ny teny hoe: “ilay izaho naratra omaly” mba hanehoany ny takaitran’ny fitiavana maimaika sy tematemaka.

Ampitan’ny mpanoratra hafatra araka izany ny sora-mandry matavy. Paika iray anehoany izany koa ny sora-baventy.

b- ny fehezanteny ahitana sora-baventy

Anisan’ny mampiavaka an’i RADO RAMAHERISON ny fampiasana sora-baventy ao anaty tononkalony. Rehefa misy hevitra tiany hamaka tsara , dia mampiasa izany izy. Manasongadina ny ivon’ilay hevitra arosony ihany koa ny fampiasany sora-baventy.

Hita izany ao amin’ny “Vaha vona”

(…)

“Dia tsarovinao malala

ny HAMELA ny hadisoako

(…)

Ka raha sanatria tokoany

ny tsy hihaonantsika intsony

dia manafatra aho sahady

Avelako ianao , AVELAKO HANAMBADY”91

Miharihary eto fa nataony sora-baventy ny teny hoe: “HAMELA”, entiny milaza fa ilaina ny fifamelana eo amin’ny mpifankatia. Mbola olombelona manko ka manam- pahadisoana fa tsy tonga lafatra akory.

90 V.A.lah.13, op.cit. tak.31, and.1 91 V.A.lah.14,op.cit. tak.31sy tak.91 117

Asehony koa eto fa tsy tompon’ny fianan-ko aviny ny olombelona. Tsy ampoizina mandrakariva ny fahafatesana. Raha tsy maintsy handao ny fiainana an-tany izy, dia manome alalana ny olon-tiany hanambady. Nataony sora-baventy ny teny hoe: ”AVELAKO HANAMBADY” entiny milaza izany.

Hoy koa izy ao amin’ny “Ny mampaninona ahy”

“Ianareo mifampiarahaba tsy mahasarotiny ahy

Ianareo mitafatafa tsy mahasarotiny ahy

Ny madinidinika hafa tsy mahasarotiny ahy

Fa raha toa kosa ny fitia nisahiranako

no tadiaviny ombontana,esorina eto an-tanako

dia aza TSINY kosa, aza TSINY ry Fitiavako

raha ho fantany amin’izay hoe iza moa no anarako”92

Mamela malalaka ny olon-tiany hifandray amin’ny hafa i RADO RAMAHERISON. Madio ny sainy amin’izay olona rehetra mifandray amin’ity nofinidiny. Tsy tantiny kosa anefa raha misy olona mikasa hisotasota ny fiainam-pitiavany. Tena asehony mihitsy ny maha izy azy rehetra raha izany no mitranga. Nataony sora-baventy ny teny hoe: “TSINY” eto mba hampitandremany ireo minia hanakorontana ny fiainam- pitiavany. Entiny maneho ihany koa fa tiany ny olon-tiany ka tsy zarainy amin’ olon- kafa fa azy irery ihany.

Ny filalaovana amin’ny endri-pehezanteny no nojerena teo. Inona kosa no azo resahana mikasika ny bika amana endriky ny andininy sy ny andalana ao amin’ny tononkalo?

3-1-3 Ny bika amana endriky ny andininy sy andalana ao anaty tononkalo

Lafin-javatra iray ifantohan’ny mason’ny mpamaky sy mahasarika azy ny endriky ny andalana sy ny andininy ao amin’ny tononkalon’ny poeta. Miovaova be ihany izany raha ny tononkalon’i RADO RAMAHERISON no ifotorana. Tsikaritra ao mantsy fa misy amin’ireo tononkalony tsy ahitana afa-tsy andalana roa monja no mamorona ny andininy iray, ao ihany koa ny andalana efatra, ary misy aza ny mihoatra izany.

92 VA.lah.45, andininy rehetra 118

3-1-3-1 andininy iray tsy ahitana afa-tsy andalana roa

Hafa kely tokoa ity endrika isehoan’ity andininy tononkalon’i RADO RAMAHERISON ity, satria andalana roa ihany, dia ahavitany andininy iray. Hoy izy ao amin’ny tononkalony hoe: “Tia anao aho”

“Tia anao aho raha tsorina ny resaka

Tia anao aho, tia anao tanteraka”93

Hita amin’izao fa tena fohy tokoa ny andinin’ity tononkalo ity, kanefa mazava ny hafatra tiana hampitaina. Mamboraka ny fitiavany amin’ilay olona irin’ny fony ny mpanoratra eto. Tsy irony karazan’olona be fihetseham-po sy manao teny fampanantenana maro izy. Ilay fitiavana lalim-paka avy ao am-pony no avy hatrany dia aborany tsy misy olakolaka. Porofon’ny fitiavana tanteraka sy madio izany.

Hoy koa izy ao amin’ny “Aza manontany akory”

“Aza manontany akory hoe nahoana ianao no iangarako

fa ny valiny dia tsotra,mantsy ianao fitiavako

Aza manontany akory hoe nahoana ianao no tiako

fa ny valiny dia tsotra,ianao irery ihany no maharaka ny diako?

Aza manontany akory izay ho fiainantsika ampitso

fa ny valiny dia tsotra,n’iza n’iza olo-miaina dia tsy misy anjara diso

Aza manontany akory irony lasantsika irony

fa handratra ihany ireny ka aza fohazinao intsony

93 V.A.lah.74, op cit.tak.100 119

Aza manontany akory…”94

Andalana roa no mandrafitra ny andininy tsirairay ao amin’io tononkalo io. Nataon’ny mpanoratra izany hanehoany ny fifandraisana akaiky eo aminy sy ny olon-tiany. Matoa maneho fihetsika amin’ny ankilany ny andaniny, dia misy tanjona kinendriny mazava amin’izany, ka tsy tokony hahagaga.

3-1-3-2 andininy iray misy andalana efatra

Ampiasain’ny mpanoratra ity endrika iray ity rehefa maneho ny zava-misy hitany sy tsapany mikasika ny tontolon’ny fiainam-pitiavan’ny olona eny anivon’ny fiarahamonina izy. Hoy izy milaza izany amin’ny tononkalony hoe: “Misy”

“Misy

Misy vao sambany nitia dia voafitaka sahady

Misy

Misy tsy mpifankatia akory kanefa dia nivady”95

Asehony eto ireo endrika samihafa hitany fa iainan’ny olona miditra eo amin’ny sehatry ny fitiavana: misy ny tojo zava-tsarotra raha vao eo an-tokonam-baravaran’ny fitiavana, satria nivadihan’ny olon-tiany; misy ny tonga amin’ny dingana ambony indrindra amin’ny fitiavana, dia ny fanambadiana izany, kanefa tsy nafatotry ny fitiavana akory.

Ahitana io andalana efatra io ihany koa ao amin’ny tononkalony hoe: “Nilazako ireny ianao”

“Nilazako ireny ianao, nilazako mba handinika

Tsy nety anefa ianao, tsy nety fa nisisika

Tsy nety nihaino ianao, tsy azoko natoro

Ka izao vao mahatsapa fa fitiavana hay mandoro

94 V.A.lah.25,op.cit.tak.37 , andininy rehetra 95 VA.lah.73, andininy rehetra 120

Nilazako ireny ianao, nilazako mba hijery

Ny fiainako, hoy ianao, avelao zakaiko irery

Tsy maintsy àry aho nangina sy tsy niloaka intsony

Lavo izao ianao, nefa izy tsy eto akory

Nilazako ireny ianao,nilazako tsy hatoky

Efa hitako ihany mantsy fa izy iny dia boloky

Nadikanao anefa ho fialonako izy ireny

Lavo izao ianao, moa àry va jereny?”96

Tsapan’ny mpanoratra fa misy amin’ny tovolahy sy ny tovovavy no mikiribiby amin’ny heviny rehefa injay jamban’ny fitiavana izy ireny. Babo avy hatrany fotsiny ny fo. Tsy mandinika sy mamakafaka akory ilay olona hotiavina. Rehefa misy olona mba milaza ny kileman’ilay olon-tiany, dia adika ho tsy fitiavana sy ho fialonana avy hatrany izany. Aty aoriana vao tra-pahavoazana sy tra-panenenana. Tsy misy intsony anefa ny azo atao amin’izany. Efa rano raraka tsy azo raofina intsony

3-1-3-3 fampiasana andalana maro

Manavanana an’i RADO RAMAHERISON tokoa ny fampiasana andalana maro amin’ny fandrafetana andininy iray. Ohatra vitsivitsy no indro hatolotra:

Ohatra 1: “Mbola”

“Mbola ity mitady anao

ka aza dia atosika

Aza ataonao tahaka izao

fa “potika” sy “rotika”

Mbola ity mitady anao

ilay notiavinao fahiny

96 V.A.lah.66, andininy rehetra 121

Tsy menatra intsony

satria dia ny olon-tiany

ilay ravaky ny fony

no mbola italahoany

hanadino izay nataony

d’irony vava tsy ambina

sy ny fodiana fanina

Mbola ity mitady anao

ka aza mbola ariana

Mivalo sy mifona

Mbola be finoana

matoa mitady anao

Mantsy ianao tsy foiko

hatrizay, rahatrizay ka hatrizao”97

Andalana roapolo no mandrafitra io andininy io. Nampiasain’ny mpanoratra eto izany anehoany fitiavana lalim-paka ilay olon-tiany. Tiany loatra ity farany ka tsy hainy hadinoina mihitsy. Manoloana izany, dia mangataka ity olon-tiany ity izy mba hamela ny hadisoana rehetra vitany, ary mitalaho aminy mba hiverina amin’ny fitiavana niainana teo aloha.

Ohatra 2: “ ô ry foko!”

“ô ry foko!

Tahaka ahy ihany koa dia mahaiza indry mandainga

97 VA.lah.46, andininy rehetra 122

Hihaona mantsy izahay ka andrao dia ho tsikariny

fa tsy ny endriny intsony izay mba tsaratsarany ihany

na ny toetrany akory no itiavako azy hatrany

fa noho ny vola be, noho izahay ilay mandehandeha

(noho isika mantsy e!)

sy ilay mitsaky foana foana

fa andrao aho ho noana

anefa ny vavony efa tena mihidy

Mazàna tsy tsaroany f’efa impiry no nividy

Kanefa zarako aza, satriko izy hilaza

sy hivanga foana foana,

satria izay tsy lany tany am-pivenjenay tany

dia mbola ataony an-karona mba hataoko voandalana

Ampy angamba izay fa andrao isika ho tara

Andrao tsy andrasany eo

Averiko ihany indray,ny lainga ataovy tsara

Andrao iny ka tsy ho tana

na dia fantatro aza f’izany lainga izany

tsy maintsy ho tratra ihany

ka handaozany avy hatrany,handaozany ny foko”98

Andalana maro no nentin’ny mpanoratra nandrafitra ity tononkalo ity mba hilazany sy hanaporofoany amin’ny mpamaky, fa misy ny olona sasany tsy tena fitiavana no iarahana amin’ny olona iray, fa fitadiavana tombontsoa manokana. Izany tokoa no hita

98 VA.lah..47, andininy rehetra 123 eto amin’ity tononkalo ity. Vokatry ny fitiavam-bola fotsiny no iarahan’ity olona iray voalazan’i RADO RAMAHERISON eto ity amin’ny olon-tiany. Eo ihany koa ny fitiavana filibana, hany ka tsy miorim-paka tsara ny fitiavana ka mety ho tsy mateza. Te hisintona ny mason-tsain’ny mpamaky eto ny mpanoratra mba ho mailo amin’izany tranga izany, indrindra ny tovolahy sy ny tovovavy vao hiroso eo amin’ny sehatry ny fitiavana. Tiany handinika sy hamakafaka lalina izay olona hotiavina izy ireny, mba ho mafy orina izany fitiavana izany.

Ohatra 3: “Tsy sitrapon’ Idada”

“Tsy sitrapon’Idada,na sitrapon’Ineny

Tsy tiany velively ny mbola miari-tory isan’andro vaky izao

fa dia efa tsy ampy intsony hitana ny iray volana

ny sandan-katsembohana fandrainy hatramin’izao

noho ny vidim-piainana

Ka aza dia tsinina raha zary manadino antsika zanaka izy

Meteza isika hino fa tsy sitrapony mihitsy

ny manery antsika hitsitsy

Fa satriny aza anie fitafy marobe

Satriny ihany koa hanim-pitoloha

no ilomanosana e!

Kanefa aloha hatreto dia ady mafy ny azy

Mitsinjo antsika ihany fa zanaka malalany

Ka izao no mba tsarovy:

Ny hajany tandrovy,

Ny fianarana ifotory, fa any aoriana any,

124

Ho leo monina eto ihany Rafahantrana mampahory”99

Ho fampieritreretana ny mpamaky no nanaovany ny andalana amin’ity tononkalo ity ho maro be toy izao. Mahatsapa izy fa misy amin’ireo zanaka no manome tsiny ny Ray aman-dReniny rehefa tsy mifanaraka amin’izay eritreretiny sy tiany no ataon’ny Ray aman-dReny. Rehefa tsy mamaly ny filàny ny Ray aman-dReny, dia ankahalainy. Tiany ho tsapan’ny zanaka fa satrin’ireo Ray aman-dReny hijanona eo anilan’ny zanany hatrany, saingy noho ny antony maro toy ny tsy fahampiana, dia voatery mamela ny zanany irery izy, satria mitady ny mahasoa rehetra mba hahafahana miaina ara-dàlana.

Te hitaona ireo tovolahy sy tovovavy ny mpanoratra ho vonona amin’ny lafiny rehetra vao miditra amin’ny fanambadiana sy ny fiterahana. Singanina amin’izany ny fananana fidiram-bola marin-tombina tsara. Ankoatra izay, dia ny filofosana amin’ny fianarana, satria izany no antoka iray mahatafita hananana asa tsara hahafahana mandresy ny fahantrana. Rehefa ampy mantsy ny vola miditra ao an-tokantrano, dia inoana fa hanana fotoana maro iarahana amin’ny menaky ny ainy ny Ray aman-dReny. Tsy voatery hitsikaraka vola atsy sy aroa foana, izay mampihena ny fifandraisana amin’ny sombin’ny aina.

Ny filalaovana amin’ny fomba fanoratra no novahavahana tao amin’ny toko voalohany. Naseho tamin’izany fa nilalao tamin’ny mari-pijanonan-tsoratra sy tamin’ny endri- pehezanteny ny mpanoratra. Nodinihina ihany koa ny bika amana endriky ny andininy sy ny andalana tao anaty tononkalo. Ny hojerena manaraka kosa indray,dia ny filalaovana amin’ny voambolana.

3-2 Filalaovana amin’ny voambolana

Fitaovam-panehoan-kevitra ny teny. Malalaka ny mpanoratra hifantina izay teny tiany hampiasaina mba hampafonja ny hevitra ambarany, ary koa mba hanome endrika kanto ny asa sorany. Ireto no misongadina ao amin’ny tononkalon’i RADO RAMAHERISON: fampiasana voambolana avy ao amin’ny Baiboly, voambolana noloarana avy amin’ny foto-pisainana malagasy, voambolana anondroana ny olon-tiana, voambolana fampiasa manodidina ny fitiavan’olon’olon-droa,voambolana fampiasan’ny zatovo ankehitriny, fitenenana novana endrika.

99 VA.lah.62, andininy rehetra 125

3-2-1 voambolana nindramina avy ao amin’ny Baiboly

Boky ampiasain’ny kristianina ny Baiboly. Ao anatiny no ahitana ny tenin’ny Soratra Masina, izay anorenan’ny mpino kristianina ny finoany. Tsapa ao amin’ny tononkalon’ny mpanoratra ny maha kristianina azy, satria naka teny avy ao anatin’io Baiboly io izy nentiny nanangana izany. Te hitaona ny mpamaky izy mba hanankina ny fiainany amin’Andriamanitra.

Miverimberina ao amin’ny tononkalony ohatra, ny teny hoe: “Andriamanitra”. Tononkalo telo ahitana izany avokoa ny lohateny. Ireto atolotra ireto:

 “Andriamanitra ô!”

“Andriamanitra ô!

Ononinao ny foko rakofan’ny toloko

noho ilay mpitondra iny izay nomeko fahefana

kanefa mampanjaka amin’ny fomba tafahoatra

sy tsy rariny mazana100

(...)

 “Andriamanitra ô!”

“Andriamanitra ô!

Impiry aho moa raha vao miandoha ny taona

no tsy naka fikasana,fikasana hanafoana

ireo fahazaran-dratsy mampisaraka antsika

ho fitaratra jinery, ho fahazavana manjopiaka?”101

(…)

100 V.A.lah.61, op.cit.tak.94, andl.1-2-3-4-5 101 V.A.lah.63, op.cit.tak.106, andl.1-2-3-4-5 126

 “Andriamanitra ô!”

“Andriamanitra ô!

Inty mpanomponao mba miangavy, mitalaho

Meteza indrindra ianao,meteza Ianao mba hihaino

izao minitrako eto izao fa mavesatra ny foko,

mivesatra alahelo”102

(…)

Ahitana io teny hoe “Andriamanitra” io ihany koa ny tononkalo maro hafa, saingy tsy lohateny intsony fa any anaty andinin’ny tononkalo any. Indreto ohatra ahitana izany:

 “Ady tolotra”

“Andriamanitra ô

Tena ekeko mihitsy ny teninao nilaza

“hoe mamenoa ny tany

Nandinika aho anefa ka lasa saina ihany

Sao tsy ny olona rehetra no tsara hanao izany

Ohatra akaiky Ramatoa Rafara mipetraka ato atsimo

izay iaraha-mahalala fa ny fiainany isan’andro

dia dihina tandrimo”103

(…)

“Mba omeo indray”

“Andriamanitra ô,

Izao ranomasoko eto izao, aza ataonao tsinontsinona

102 V.A.lah.70, op.cit.tak.107, andl.1-2-3-4-5 103 V.A.lah.15, op.cit.tak.84, andl.1 hatramin’ny andl.8 127

Ny vadiko eny mantsy efa zary tsy tohinina

Fa leo ,hono, leo andraso andraso

Efa maika hitaiza dimby hamelo-maso”104

(…)

Ampiasainy ihany koa ireo teny hafa iantsoana an’Andriamanitra toy ny hoe: Tsitoha, Telo izay iray, Tompo, Ray

 Tsitoha

“Satria re dia nahoana”

-(…)

-(…)

“Fa tato ho ato koa ry Andriamanitra Tsitoha

dia misy ramatoa tsikaritro matetika mifampitantana aminy

ary tsapako mihitsy ny fatra-pahasambarany

rehefa io no miaraka aminy”105

(…)

 Telo izay iray

“Vavaka mangina”

(…)

“Miangavy indrindra Anao ô ry Telo izay iray

Fa ady mahamay izao atrehinay izao”106

 Tompo

“Andriamanitra ô!”

104 V.A.lah.116, op cit.tak.113 105 V.A.lah.42, op.cit.tak.56, and.3 106 V.A.lah.39, andl.25-26 128

(…)

“Mamela ny fahotako indrindra indrindra Tompo

Ireo izay nampaloto ny fotoam-pahatanorako” 107

 Ray

“Andriamanitro ô!”

(…)

“Tsy ny hijaliany akory ny zavatra ilaiko

kanefa kosa Raiko ataovy mba tsaroany

fa noho ny fahefany mihatra fahatany

dia efa maro mihitsy no efa mitomany, mitomany noho izany”108

Ankoatra ireo voalaza ireo, dia hita ao amin’ny tononkalony koa ny teny avy ao amin’ny Soratra Masina toy ny hoe: helo, Edena, Rainay izay any an-danitra

 Helo

“Satria re dia nahoana”

(…)

“Vao hafiriana monja ny tokantranonay

kanefa izao sahady ny fifandraisanay

nefa, hono, dia mpivady

Vao hafiriana monja dia zary toy ny fonja sy helo mahamay”109

(…)

 Edena

“Ho anao”

107 V.A.lah.70, op cit.tak.107, andl.18-19 108 V.A.lah.61, op.cit.tak.94, andl.8-9-10-11 109 V.A.lah.42, op.cit.tak.54, and.1, andl.6-7-8-9 129

“Ho anao izay mitaraina noho ny enjiky ny fiainana

Mikatsaka isanandro ilay Edena fanaperana

Efa mila ho kivin’ny fifohazana maraina

Satria hatrizao dia mbola mafiraina”110

(…)

 Rainay izay any an-danitra

“Vavaka mangina”

“Rainay izay any an-danitra

Ianao mahalala fa ireo vahoaka ireo

tsy dia hoe akory adala raha toa mitokona eo

fa manam-paniriana ,manan-java-tsy aritra

tsy mbola raharahaina”111

(...)

Tsy ny findramana voambolana avy ao anaty Baiboly ihany akory no ataon’ny mpanoratra. Mampiasa voambolana noloarana avy amin’ny foto-pisainana malagasy ihany koa izy.

3-2-2 voambolana noloarana avy amin’ny foto-pisainana malagasy

Tahaka ny olona rehetra manana ny finoany, dia mba manana ny finoany ihany koa ny Malagasy. Mino ohatra izy, fa tsy tongatonga ho azy ny zavatra rehetra fa misy antony avokoa. Miditra an-tsehatra eto ny resaka anjara, vintana, tendry ary ny lahatra. Raha ny tononkalon’i RADO RAMAHERISON izay nokirakiraina, dia ahitana ny sasany

110 VA.lah.19.and.1 111 V.A.lah.op.cit.tak.128, andl.1-2-3-4-5 130 amin’ireo voambolana voalaza ireo. Resahany ao amin’ny tononkalony ohatra, ny amin’ny resaka lahatra sy ny anjara. Ireto tononkalo ireto no ahitana izany: Sambara, Dieny, Sombinaiko

 “Sambara”

-(…)

-(…)

-(…)

“Efa nisy izany saingy fikasana ihany

Tsy voalahatra ny antsika,nefa aza mitomany”112

 “Dieny”

“Dieny mbola velona aina, aza kivy ianao sakaiza

Aza resin’ny taraina fa hazao hatraiza hatraiza

Ny anjara tsy midify,anjaranao ety

mba hisambaranao rehefa mby ery”113

-(…)

-(…)

 “Sombinaiko”

“Raha ho avy sombinaiko izay ho sompatr’ito tany

Dia fadionao indrindra ny hilofika tomany

Ary ankoatra izay, aza akory manontany

Fa tsy misy hamaly anao noho izany

Satria tsy maintsy ekena

112 V.A.lah.4, op.cit.tak.52, andl.1-2 amin’ny and.4 113 V.A.lah.18, and.1 131

Rehefa mby ny faharesena

Aza manontany mba tsy hanomezan-tsiny

Ny anjara no natao fa tsy hoe izay tiany

Raha avy sombinaiko izay ho sompatry ny ankaso

Dia aoka tsy ho am-po izay rotsa-dranomaso

Fa avelao hanamando ny endrikao

Nefa ihany ihany koa, aza atao fomba fanao

Fa mantsy ny isan’andro tsy ho jaly foana foana

Izao fianantsika izao dia manaraka ny taona

Tsarovy ny masoandro mibaliaka isa-maraina

F’efa navalon’iny ny tantaran’ny taraina

Lahatry ny tany ka ampanekeo ny saina

Tsarovy indrindra ireo,tsarovy sombinaina”114

Mampiasa voambolana sasantsasany ilazan’ny olona ny olon-tiany ihany koa ny mpanoratra ao amin’ny tononkalony.

3-2-3 voambolana ilazana ny olon-tiana

Ny fitiavan’olon-droa no mibahan-toerana ao amin’ny tononkalon’ny mpanoratra. Tsy mahagaga araka izany, raha mahazo toerana ao ny teny sasantsasany ilazan’ny olona ny olon-tiany, toy ny hoe: malala, ry Aina, ny ankiziny .

 malala  “Ilako anao”

“Malala a!

114 VA.tak.20, andininy rehetra 132

Raha tsy maintsy aho manadino

Dia meteza ianao mba hino

Fa fitiavana tokoa ilay notrotroiko tamin’iny”115

 “Raha ho avy malala”

“Raha ho avy Malala ny ora mangidy

Tsy maintsy anekena tsy misy ankifidy

Dia tongava ianao,ianao irery

Tongava hijery ity efitra ity”116

(…)

 ry Aina  “Fa maninona?”

“Fa dia nahoana indrindra

no sahinao lazaina

ho tsy afaka hifandrindra ny

fitiavantsika ry Aina?”117

 Ankizy  “Nony injay anefa”

“Nony injay anefa

Lasana tokoa,lasana nilefa

Ilay ankiziny taloha

115 V.A.lah.48 op.cit.tak.104, andl.1-2-3-4 116 V.A.lah.27, op.cit.tak.109, and.1, andl.1-2-3-4 117 V.A.lah.35, op.cit.tak.100, andl.1-2-3-4 133

Dia vaky indray ny sainy

Volivoly hatramin’ny ainy”118

(…)

Andravahany ny tononkalony koa ireo teny fampiasa eo amin’ny tontolon’ny fitiavana: fo babo, hitsena olon-tiana, tiako ianao, hampiaraka, alahelo, banga anao, angotingoty, voady, fitia mifangia.

3-2-4 voambolana fampiasa manodidina ny fitiavan’olon-droa

Ireto misy santionany amin’izany voambolana izany:

 fo babo  “Vokatry ny fo”

“fo babo ka dia miandry”119

(…)

 hitsena

“Vokatry ny fo”

“Fo babo ka dia miandry

Miandry manantena

Manantena anao hitsena

Hitsena olon-tiana”120

(…)

 tiako ianao  “Hatry ny ela”

(...)

118 V.A.lah.24, andl.1-2-3-4-5 119 V.A.lah..3, andl.1 120 V.A.lah.3, ibid, andl.1-2-3-4 134

“Hatry ny ela mihitsy no niandrasako an’izao

Hatry ny ela mantsy no efa TIAKO IANAO”121

 hampiaraka  “Aoka”

(…)

“Saingy rahampitso,rahampitso dia rahampitso

Hiezaka aho ho tonga amin’ny iray ora tsy diso

Dia hampiaraka isika”122

 alahelo

“Ny namana rehetra”

(…)

“N’iza n’iza re mahita izay malalako any izay

Iangaviako mba hampita ny alaheloko azy indray ”123

 banga  “Ny namana rehetra”

(…)

“Ny amiko rehetra dia mbola banga anao

Ianao no hany iriny, hatrizay ka hatrizao”124

(…)

121 VA.lah.6, andl.13-14 122 V.A.lah.10, op cit.tak.45, and.2, andl.1-2-3 123 V.A.lah.23, and.4, andl.1-2 124 V.A.lah.23, ibid, and.3, andl.1-2 135

 angotingoty  “Hitondra teny mamy”

Hitondra teny mamy ho eo an-dohafandrianao

fa mahatsiaro ny omaly

niarahana nanao

Hitondra ihany koa hirana fitia

noho ny antony satria

mipololotra ao anaty

ireo fitia tsy mety maty

sy ireo angotingoty,

bitsika ivaivan’ny omaly takariva

hatramin’ny alina madiva125

(…)

 voady  “Manala alahelo”

(…)

“Tsy azo lavina tokoa

fa dia rendrarendram-po

ny toky izay nomeny

ny voady izay nekeny”126

(…)

 fitia mifangia  “Ity mofomamy ity”

125 V.A.lah.28, op.cit.tak.41, and.1, andl.1 hatramin’ny andl.10 126 V.A.lah.55, op.cit.tak.57, and.2 , andl.1-2-3-4 136

(…)

“Amin’izay dia hotsaroana

n’inona n’inona fotoana any volana, any taona

fa ity ilay mofomamy tsy nisy nanombinana,

ity ilay mofomamin’ny fo roa samy tiana

nivoady sy nidina fa na tsikim-pifaliana,

na ranomasom-pahoriana

indrindra fihafiana na oviana na oviana

tsy haharava ny fitia, fitia mifangia

mifamatotra ho doria”127

Tsikaritra ao amin’ny tononkalon’ny mpanoratra ihany koa ny voambolana fampiasan’ny zatovo ankehitriny.

3-2-5 voambolana fampiasan’ny zatovo ankehitriny

Mbola ao anatin’ny fahatanorana tanteraka i RADO RAMAHERISON. Misy akony amin’ny voambolana ampiasainy ao amin’ny tononkalony izany. Mampiasa tenin- jatovo tokoa mantsy izy ao amin’ny asa sorany. Indreto sasantsasany amin’izany: potika sy rotika, amboarina, akama

 potika sy rotika  “Mbola”

“Mbola ity mitady anao

Ka aza dia atosika

Aza ataonao tahaka izao

fa “potika sy rotika”128

127 VA.lah.69,andl.7 hatramin’ny andl.15 128 V.A.lah.46, op.cit.tak.121, andl.1-2-3-4 137

(…)

 amboarina  “Omaly hariva letsy”

(…)

“Indreto roalahy no injay nanenjika ahy

sady mbola nihantsy “mijanòna raha lehilahy”

Dia nandrasako àry, nandrasako tokoa,

nandrasako hanatona

Nony efa akaiky dia teo aho vao nanaiky

fa tsy hafa ireo fa ilay mpisakaiza teo

vetivety koa no nahafantarako ny marina

hay ka izaho mihitsy no noheveriny ho amboarina"129

 akama

 “Izaho tsy gaga”

(…)

“Ny rehetra nolazainy tsy nisy iray nefainy

Efa azy mantsy ny zavatra nilainy

129 V.A.lah.71, andl.10 hatramin’ny andl.16 138

ka dia ny ho azy irery

no hany sisa nojereny

no hany sisa nimasoany

Ny tombontsoany aloha voalohany

Ny akamany faharoany”130

(…)

Ny tena mampiavaka an’i RADO RAMAHERISON ihany koa anefa, dia ny fahaizany manova ny fitenenana efa mahazatra.

3-2-6 fanovana endrika ny fitenenana mahazatra

Novan’ny mpanoratra endrika ny fitenenana fampiasa andavanandro. Fomba iray anomezany endrika kanto ny asa sorany izany.

Raha ny fitenenana mahazatra ohatra, dia toy izao:

Ohatra 1: “Ny mamy no andraso raha sendra ny mangidy” kanefa novan’ny mpanoratra hoe: « Ny mamy no andraso raha sendra ny angivy » ao amin’ny “Dieny”131

(…)

“Dieny mbola velona aina, milofosa ombieny ombieny

Fa ny adinao ety dia ady ihany ireny

Ady ho fandresena raha toa ianao tsy kivy

Ny mamy no andraso raha sendra ny angivy”

Ohatra 2: Raha “mpifati-dra” ohatra ny fitenenana mahazatra, dia niainga tamin’io no nakany ny teny nampiasainy fa novany kely ka nataony hoe: “mpifatitra fitia”

 “Tsy hino angamba ianao”

-(…)

130 V.A.lah.21, op.cit.tak.85, andl.23 hatramin’ny andl.29 131 V.A.lah.18, op cit.tak.131, and.2 139

-(…)

“Tsy mino angamba ianao

Izaho koa aza mba tsy mino

Ny hany fantatra hatreto

dia tsy misy afa-tsy ity

Isika ireto angamba tsy hahavita hifanadino

Isika angamba akia mpifatitra fitia”132

Ohatra 3: “masontsivana” no fampiasa matetika, fa ny an’ny mpanoratra novany hoe: “marintsivana”

 “Manala tena”

“Niangaran’iza loatra izato ianao ry tovovavy

No dia aminao daholo no hitakitako avy

Ireo marintsivana ilaiko”133

(…)

Nisongadina tao amin’iny toko iny ny fahaizan’ny mpanoratra nifantina ny voambolana nampiasainy mba hahakanto ny asa sorany. Tsy izay ihany anefa no maha kanto ny asa sorany fa eo ihany koa ny fahaizany milalao amin’ny sarin-teny isankarazany.

3-3 Filalaovana amin’ny sarin-teny isan-karazany

Fitaovam-panehoan-kevitra ny teny. Mandeha ho azy izy amin’ny maha fitaovana hifanehoan-kevitra azy izay. Mila fikajiana sy fiangaliana manokana kosa anefa izy vao azo hamoronana zava-kanto. Zava-kanto vita amin’ny teny tokoa mantsy ny asa soratra, hoy i Siméon RAJAONA. Tsy maintsy misy endri-javatra mihataka amin’ny andavanandro izany ao anaty asa soratry ny mpanoratra. Hamafisin’i Siméon RAJAONA izany amin’ny hoe : « (…) toy ny amin’ny zava-kanto rehetra, ao amin’ny

132 VA.lah.72, and.3 133 V.A.lah11., op cit.tak.44 140 zava-kanto vita amin’ny teny, dia tsy maintsy misy endri-javatra tsy fahita, tsy mahazatra, tsy andrasana, izany hoe : mihataka amin’ny andavanandro. Ary ireny endri-javatra eo amin’ny fiteny, mihataka amin’ny andavanandro ireny no anisan’ ny maha zava-kanto ny asa soratra (…) »134

Raha ny tononkalon’i RADO RAMAHERISON no asian-teny, dia mivohitra ao ny kanto maha literatiora ny literatiora. Misongadina ao mantsy ireo sarin-teny sy fomba filazan-javatra samihafa. Ndeha hosokajiana telo izany sarin-teny izany : ny sarin-teny miorina amin’ny tamberin-javatra no hojerena voalohany, ny sarin-teny miorina amin’ny fanovan-javatra kosa no hojerena manaraka. Ary amin’ny farany no hijerena ireo sarin-teny hafa.

3-3-1 ny tamberin-javatra

Amin’ny maha tamberin-javatra azy, dia misy fiverenan-javatra iray ao anatin’ny tononkalo. Mety ho feo no miverimberina, mety ho voan-teny, mety ho hevitra, mety ho ny fehezanteny. Ny tamberim-peo sy ny tamberim-boan-teny no misongadina ao amin’ny tononkalon’i RADO RAMAHERISON. Ndeha hovahavahana tsirairay ny nampiasany azy.

3-3-1-1 ny tamberim-peo

Ny antsoina hoe tamberim-peo, dia ny feo iray miverina matetika rehefa milaza hevitra na toe-javatra iray. Mbola mizara roa indray io tamberim-peo, dia ny tamberin-janapeo na “Assonance” andaniny, ary ny tamberin-drenifeo na “Allitération” ankilany.

a- tamberin-janapeo na “Assonance”

Ny tamberin-janapeo na “Assonance”, dia fiverimberenan’ny zanapeo afovoan-teny na anivon-teny.

Tononkalo roa no entinay maneho ny fisian’io tamberin-janapeo io, dia ao amin’ny

“Te…anao”135 sy ao amin’ny “Mbola”136

134 (S) RAJAONA, Ny zava-kanto vita amin’ny teny, Editions Ambozontany, Analamahitsy Antananarivo,2006,tak.16 135 V.A.lah.32, op.cit.tak.99 141

Ao amin’ny “Te…anao” ohatra, dia ny filalaovana amin’ny zanapeo /i/ no entin’ny mpanoratra maneho ny fitiavana latsaka anaty sy lalim-paka an’ilay olon-tiany. Hoy izy maneho izany:

“Maniry anao izao ny amiko

fa feno anao daholo rehefa mety ho aliko

Feno koa anao ny tontolon’ny vinaniko

Feno koa anao ny rivotry ny akaniko

ka mba vangivangio

sy mba tsiditsidiho e

fa manina anao”

Miredareda loatra ny fitiavan’ny mpanoratra ny olon-tiany. Mahazo toerana eo amin’ny fiainany ity farany. Satriny hifanatri-tava aminy foana. Ny zanapeo /i/ no nentiny nanehoana ny fihetseham-pony manoloana izany.

Hoy kosa izy ao amin’ny “Mbola”

“Mbola ity mitady anao

ka aza dia atosika

Aza ataonao tahaka izao

fa “potika” sy “rotika”

(…)

Ny filalaovana amin’ny zanapeo /i/ eto, dia entin’ny mpanoratra manambara ilay fitiavana miredareda ao anatiny amin’ny olon-tiany. Tsy foiny loatra mantsy ity farany. Mibosesika sy tsy hainy tohaina ny fihetseham-pony manoloana izany ka ny zanapeo /i/ no maneho izany.

Ny fampiasan’ny mpanoratra ny tamberin-janapeo no novahavahana teo. Hojerena manaraka kosa indray ny tamberin-drenifeo.

136 V.A.lah.46, op cit.tak.121, and.1 142

b- tamberin-drenifeo na “Allitération”

Ny “Allitération”, dia tamberin-drenifeo tokana an-doham-boanteny mifanesy. Raha hazavaina misimisy koa izany , dia hoe isaky ny andalana tsirairay tsy maintsy misy ilay renifeo tokana hatrany. Ahitana io tamberin-drenifeo io ao amin’ny “Ny mampaninona ahy”

“Ianareo mifampiarahaba tsy mahasarotiny ahy

Ianareo mitafatafa tsy mahasarotiny ahy

Ny madinidinika hafa tsy mahasarotiny ahy

Fa raha toa kosa ny fitia nisahiranako

no tadiaviny ombontana,esorina eto an-tanako

dia aza TSINY kosa ,aza TSINY ry fitiavako

raha ho fantany amin’izay hoe iza moa no anarako”137

Misy ny mpifankatia no saro-piaro tafahoatra amin’ny olon-tiany. Rehefa hitan’ny lehilahy mifandray be loatra amina lehilahy iray hafa ny olon-tiany na ny vadiny, dia manana fisainana hafa izy. Mba toy izany koa ny fihetsiky ny vehivavy rehefa tsapany ho mifampikasoka be loatra amina vehivavy iray hafa ny vadiny. Misy araka izany ny olona sasany no mandrara ny olon-tiany tsy hifandray be loatra amin’ny olon-kafa mihitsy. Mamela malalaka ny malalany hifanerasera amin’ny hafa kosa anefa i RADO RAMAHERISON. Ny renifeo amolotra /m/ no entiny maneho izany eto amin’ny tononkalo.

Ahitana io tamberin-drenifeo io ihany koa ao amin’ny “Maina”

(…)

“Mangina ny tanàna

Hita miharihary fa maty ny hafanana ilay fizaranao

Mangina ihany koa ny atin’ny efitrano

137 V.A.lah.45, op.cit.tak.118 143

Miondrika izy angamba noho ireo fotoana maro

niarahantsika teto

Miondrika ihany koa,miaraka misento aminay reretra ireto”138

(…)

Zava-mangidy indrindra eo amin’ny fiainana ny fahafatesana. Mahatsiaro ho mangaihay sy malahelo ny olona rehefa injay nilaozan’ilay tsy foiny sy maminy izy. Ny renifeo amolotra /m/ no entin’ny mpanoratra maneho izany alahelo izany eto.

Tsapa araka ireo ohatra notanisaina ireo fa ny renifeo amolotra /m/ no mitranga matetika ao amin’ny tononkalon’i RADO RAMAHERISON. Tsikaritra ao amin’ny asa sorany koa anefa ny fahaizany milalao amin’ny voanteny isan-karazany.

3-3-2-2 ny tamberim-boanteny

Misy voanteny maro miverina ao amin’ny asa soratry ny mpanoratra. Entiny manantitrantitra izay tiany hambara izy ireny. Ampiasain’i RADO RAMAHERISON io tamberim-boanteny io, na eo amin’ny fifandraisan’ny olon-droa mifankatia, na eo amin’ny fitiavana eo anivon’ny ankohonana sy/na ny fitiavana eo anivon’ny fiarahamonina.

a- eo amin’ny olon-droa mifankatia

Ireto no endrika isehoan’ny tamberim-boanteny ao amin’ny tononkalon’ny mpanoratra raha ity sehatra ity no hasian-teny: anaphore, anadiplose

 Anaphore: io dia tamberim-boanteny na andian-teny an-dohan’andalana na an- dohan’andininy mifanesy. Mety ho an-doham-pehezanteny mifanesy koa anefa.

Ahitana “anaphore” ao amin’ireto tononkalo ireto:

-“Avelao aho hanantena”139

-“Izy ao izay”140

138 VA.lah.41, and.2 139 VA.lah.75, and.1,2,3,4 140 V.A.lah.51, op cit.tak.42 144

-“Hahita anao”141

Miverimberina eny amin’ny fiandohan’ny andininy tsirairay ny andian-teny hoe: “Avelao aho hanantena, hanantena ihany” ao amin’ny “Avelao aho hanantena”. Ny fiverimberenan’izany moa, dia maneho ny fananan’ny mpanoratra fanantenana mandrakariva na dia eo aza ny sedram-pitiavana mahamay lalovany: manitsakitsaka sy mampirafy azy ny olon-tiany. Na dia eo aza anefa izany, dia tsy mbola manary toky akory izy. Manana fanantenana izy, fa na ho ela na ho haingana, dia tsy maintsy hiova ihany ny toetran’ity malalany.

“Avelao aho hanantena,hanantena ihany

fa ilay malalako iny dia mbola hiverina eto

hamafa ranomaso,hamafa koa ny sento

Avelao aho hanantena,hanantena ihany

fa ilay malalako iny tsy maintsy mbola ho hendry

ka ny fitiavana ao am-pony dia hatokany ho ahy irery

Avelao aho hanantena,hanantena ihany

fa ilay malalako iny tsy maintsy mbola hiova

ka dia hiverina eto amin’ny tsikiny bakora

Avelao aho hanantena,hanantena ihany

na tsy maintsy higohako aza ny aferonao ry tany”

(…)

Toy izao kosa izany ao amin’ny “Izy ao izay”

“Izy ao izay efa tsy tafandry

141 VA.lah.33, and.1, and.2 145

Ny fotoana anefa ity tsy mety mba hiandry

ny mbola fiomanako

O ry lanitra ô

nankaiza indray ny vakako

Izy ao izay efa tsindrin-daona

Izaho anefa ity ho tara ny fotoana

noho ny fiomanako

O ry lanitra ô,

nankaiza indray ny kapako

Izy ao izay efa miherikerika

Izaho anefa ity mbola tsy afa-mihetsika

Ny hohoko eny mantsy tsy maintsy mbola hamainina

Ny voloko etsy andaniny mbola ilàna “peigne”

Nefa izy izay efa tena sasa-miandry

Ny sainy inoako mihitsy fa tena efa tsy mandry

Ny fiverimberenan’ireo andian-teny misy tsipika eo ambaniny ireo eto, dia manasongadina ny fandefasana eritreritra any amin’ilay olon-tiana. Mibahan-toerana ao an-tsaina foana izy. Na dia eo tokoa aza mantsy ny kenonkenona ataon’ity tovovavy ambaran’ny mpanoratra eto amin’ny tononkalo ity mialoha ny hihaonany amin’ny olon- tiany, dia mifantoka tanteraka any ihany ny sainy sy ny fony

Ao amin’ny “Hahita anao” kosa indray, dia miverimberina isaky ny andalana ny andian-teny hoe: “Hahita anao”.

146

Satrin’ny mpifankatia hihaona foana isan’andro eo amin’ny fiainany. Mahatsiaro fahabangana izy ireny rehefa tsy mifankahita matetika. Tena fahasambarana tokoa mantsy izany mahita ny olon-tiana izany. Tsy andrin’i RADO RAMAHERISON mihitsy ny hahatongavan’ny fiandohan’ny herinandro hihaonany amin’ilay olona irin’ny fony. Tena manan-danja ho azy ny fahitana ity farany. Ny famerenana ny andian-teny hoe: “Hahita anao” no manasongadina izany eto.

“Hahita anao indray fa Alatsinainy ny andro

Hahita anao masoandro mampamiratra ny fiainako

Hahita anao malala mampahery vaika

ny angovon’ny fisainako hiatrehako ny adidy

na mamy na mangidy

Hahita anao indray fa Alatsinainy ny andro

Hahita anao faneva mialoha lalana ny diako

Hahita anao Malala mampitombo sanda

ny anton’ny fisiako”

(…)

 Anadiplose: tamberim-boanteny, na andian-teny mifanesy, ka ny iray am- paran’andalana na am-param-pehezanteny, ary ny iray an-dohan’andalana na ny fehezanteny manaraka.

Ahitana io karazana sarin-teny io ao amin’ny: “Mahandrasa kely”142

“Voaraiko omaly hariva ny taratasinao

Taratasy manambara fa tia ahy ianao

Tsy omeko tsiny ianao fa mafy izay tia

142 V.A.lah.13, op.cit.tak.31, and.1 147

Kanefa raha izao tsy afaka aho ny hamaly

Tsaroako foana mantsy ilay izao naratra omaly

Ka mahandrasa kely na ho eny na ho tsia”

(…)

Ny teny hoe “taratasy” eto no mamarana ny faran’andalana. Avy hatrany, dia miverina indray izany ao amin’ny fiandohan’ny andalana manaraka. Entin’ilay tovovavy manamafy amin’ilay tovolahy izany fa nomeny lanja ny fangatahan’ity farany. Tsy noraisiny ilay taratasy raha toa ka nanao tsinontsinoana azy izy. Na eo aza anefa izany fahalalam-pomba sy fahadiovam-po tamin’ny fandraisana ilay taratasy izany, dia tsy midika akory fa hanaiky ny fikasan’ity tovolahy ity izy. Tsy namaly ny fikasan’ity farany teo no ho eo izy, fa nasainy niandry fotoana. Mbola tsy afaka ao an-tsainy mantsy ny ratram-po nahazo azy teo amin’ny fiainam-pitiavany.

Miharihary koa ny fisian’ny “Anadiplose” ao amin’ny “Vokatry ny fo”143

“Fo babo ka dia miandry

Miandry manantena

Manantena anao hitsena

Hitsena olon-tiana

Olon-tiana tsy tafandry

Tsy tafandry f’efa tia

Tia ka mankafy

Mankafy anilanao

Anilanao doria

Doria efa nekena

Nekena, tsy nisy fanerena”

143 V.A.lah.3, op.cit.tak.134, andininy rehetra 148

Variraraka mihitsy eto ny fampiasan’ny mpanoratra ity karazan-tsarin-teny “Anadiplose” ity. Nampiasainy izany hanehoany ny fihetseham-pony ny amin’ny tsara ho fantatra rehefa mitia. Ambarany ohatra, fa mila faharetana rehefa manam-pikasana hitia olona iray. Mila manana fanantenana hatrany fa na ho ela na ho haingana, dia tsy maintsy ho tanteraka ilay nofinofy hiara-dalana amin’ny olon-tiana izay kasaina.

Nampiasain’ny mpanoratra ihany koa moa ity “anadiplose” ity hitsofany rano ny mpiara-belona aminy. Toa miendrika tsodrano tokoa mantsy ity tononkalo ity. Maniry ny mpiara-belona aminy izy, indrindra ny tanora vao hiditra eo amin’ny tontolon’ny fiainam-pitiavana, mba hahazo fahafinaretana sy fiadanana amin’izany, ary mba ho mafy orina ihany koa ny fitiavana.

Ampiasain’ny mpanoratra koa ny “Anadiplose” ao amin”ny “Fa maninona”144

“Fa dia nahoana indrindra

no sahinao lazaina

ho tsy afaka hifandrindra

ny fitiavantsika ry Aina?

Kanefa, kanefa vao omaly

Vao omaly no omaly

dia mbola ianao nilaza

dia mbola ianao namaly

tamin-tsiky falifaly

fa ny antsika tsy ho rava

na oviana na oviana”

(…)

Nampiasa “anadiplose” ny mpanoratra eto hampieritreretany ny mpamaky, fa mety hiova ao anatin’ny fotoana fohy ny fitiavan’ny olona iray. Misy ny karazan’olona

144 V.A.lah.35, op cit.tak.100, andl.1 hatramin’ny 11 149 sasany no tsy menatra mivadi-panekena tampotampoka. Manao teny fampanantenana fotsiny, kanefa tsy tanterahana akory.

Ny endrika nisehoan’ny tamberim-boanteny teo amin’ny olon-droa mifankatia no nojerena teo. Hovahavahana manaraka kosa indray ny eo amin’ny ankohonana sy ny fiarahamonina.

b- eo amin’ny ankohonana sy ny fiarahamonina

Ny “Anaphore” sy ny “Epanode” no misongadina eto amin’ity sehatra ity.

 Anaphore: Tsy hofaritana intsony ny amin’ity karazan-tsarin-teny iray ity, satria efa nolazaina teo aloha izany.

Ireto tononkalo roa ireto no ahitana azy:

-N’inona n’inona ho foana145

-Voka-pandinihana146

Raha ao amin’ny “N’inona n’inona ho foana”, ohatra, dia miverina eny amin’ny fiandohan’ny isan’andininy ny andian-teny hoe: “N’inona n’inona tsy hisy”. Entin’ny mpanoratra maneho ilay fitiavan-janaka mivaivay ao anatiny no antony namerenany izany. Tena fifaliana ho azy tokoa mantsy ny fahitany ny zanany ho lasa lavitra eo amin’ny fiainana. Tsy mitandro vola aman-karena izy amin’ny fanaovana izay hahatafita ny zanany. Hoy ny tononkalo manao hoe:

“N’inona n’inona tsy hisy

Ialahy tsy mahazo miato,tsy mahazo miato mihitsy

amin’io fianarana io

Fa ny ahy aleoko letsy

tsy manana tahiry an’arivo sy aman’hetsy

toa izay rahatrizay ialahy izay sombinaiko

no mbola hitondra indray ireto vesatra lanjaiko.

145 V.A.lah.43, op cit.tak.tak.24, and.1, and.2 146 V.A.lah.36, op cit.tak.88, and.1, and.2 150

N’inona n’inona tsy hisy

tsy maintsy ialahy tafita

Fa izaho tsy te hahita izany hoe sombinaiko

no tsy hahalala akory ireto kely

izay mba haiko

Tsy ampy anefa izay fa ilaiko mihitsy ialahy

hihoatra lavitra ahy amin’ny lafiny rehetra

na ara-pihariana,na lafiny ara-toetra.”

(…)

Ao amin’ny “Voka-pandinihana” indray, dia entin’ny mpanoratra hanantitranterana sy hanizingizinana amin’ny mpamaky fa tsy miova mihitsy ny zava-misy ara-pôlitika eto amin’ny taniny nandritra ny fotoana ela ny “anaphore”. Ny omaly tsy miova ihany no toe-tsain’ny mpanao pôlitika. Te hisarika sy hitaona ny mpamaky araka izany izy mba hiova amin’izany fomba fanao tsy mahomby izany.

“N’inona n’inona fotoana

Nampanginana vahoaka

Tsy hikomy na hitroatra

Dia io baomba baomba io foana

No naely sy napoaka

N’inona n’inona fotoana

Nikatsahana ampamoaka

Dia tsy nisy tafavoaka

Satria dia efa lasana nitsoaka

151

Any am-pitan-dranomasina

Ka tonga very an-javona

Sy zary mihaminkamina

Ireo meloka tadiavina”

 “Epanode”: tamberim-boanteny, na andian-teny tsy mifanesy ary an-toerana tsy voafetra dieny mialoha, fa mipoipoitra etsy sy eroa, tsy ampoizina, anaty famelabelarana.

Ahitana “epanode” ao amin’ny “Rehefa ny vola”147

“Rehefa ny vola no tsisy ao an-trano

Dia ahiana daholo ny zavatra maro

Fa toa tsy inona akory

Dia mampiakatra ambony feo ankiray

Ka miteraka angano

Tsy misy mahatsiaro ny firaisam-po,ny firaisan-tsaina

izay nisy hatrizay

tanaty hakiviana, tanaty hafaliana

Fa tsisy ny vola dia kirikiriana

Dia misy efitrano tsy mety mangina

Anefa dia izay,izay ilay tsy izy

Tsy izy mihitsy raha hitan’ankizy

Fa zaza eny mantsy, zaza ihany ireny

Maratra any anaty na hoe tsy miteny

Ka rehefa ny vola, rehefa io no tsy misy

147 V.A.lah.34, op cit.tak.72 152

Dia mba aoka mihitsy izay ady ao an-trano

tsy ho ren’ny ankizy

Fa aminy ireny afero mangidy

tsy maintsy zakainy, tsy maintsy lanjainy

Ka ho simba ny sainy”

Miverina matetika ao amin’io tononkalo io ny teny hoe: “vola”. Intelo ny fiverenan’izany. Entin’ny mpanoratra mampisaintsaina ny mpamaky ny hery anananan’ny vola izany. Ny fananam-bola diso tafahoatra tokoa mantsy, dia mety hiteraka olana rehefa tsy hay ny mampiasa azy. Etsy andanin’izay koa anefa, ny tsy fananana azy, dia fositra iray mahatonga fikorontanana sy savorovoro ao an-tokantrano.

Ny tamberin-javatra no nojerena tao amin’iny zana-pizarana iny. Nambara tamin’izany fa ny tamberim-peo sy ny tamberim-boan-teny no mibahan-toerana tao amin’ny tononkalon’ny mpanoratra. Ny fanovan-javatra kosa indray no hovelabelarina manaraka.

3.3.2 ny fanovan-javatra

Ny fanovan-javatra dia fomba filazan-javatra amin’ny fomba ankolaka fa tsy mivantana. Ovaina izany ny fomba filazana zavatra. Misy zavatra roa ampifandraisina an’eritreritra amin’izany, dia ny zavatra resahina andaniny, ary ny zavatra hafa mifandray aminy ankilany. Karazana fanovan-javatra roa no hita ao amin’ny tononkalon’ny mpanoratra : ny fanovana endri-javatra sy ny fanovana anarana.

3.3.2.1 ny fanovana endri-javatra na”Métaphore”

Ny fanovana endri-javatra, dia fomba filazan-javatra ampifanatrehana anaty fehezanteny tokana ny oharina (ilay zavatra resahina) sy ny anoharana (ilay hoenti- miresaka azy). Tsy asiana kianteny enti-manohatra amin’izany (tahaka ny, sahala amin’ny, mitovy amin’ny,…).

Ireto karazana fanovana endri-javatra roa ireto no hita soritra ao amin’ny tononkalon’i RADO RAMAHERISON, dia ny fanovana endri-javatra azo avy amin’ny fanafiana

153 toetry ny anoharana ny oharina sy ny fanovana endri-javatra azo avy amin’ny fampitoviana ny oharina sy anoharana.

a-ny fanovana endri-javatra azo avy amin’ny fanafiana toetry ny anoharana ny oharina

Amin’ity karazana fanovana endri-javatra ity, dia tsy eo ny anoharana fa toetra iray amin’izay anoharana tsy eo izay no atafy ny oharina. Ahitana io karazana fanovana endri-javatra io ao amin’ny “Nilazako ireny ianao”148

- “Nilazako ireny ianao ,nilazako mba handinika

Tsy nety anefa ianao,tsy nety fa nisisika

Tsy nety nihaino ianao,tsy azoko natoro

Ka izao vao mahatsapa fa fitiavana hay mandoro”

-(…)

Ny oharina eto, dia “fitiavana”. Tsy miseho eo kosa ny anoharana, fa ny toetrany no voalaza, dia ny hoe “mandoro”. Raha hazavaina misimisy kokoa, dia toy ny afo izany ny fitiavana. Manimba zavatra ny afo, manapotika zavatra maro rehefa tsy mitandrina sy tsy mailo ny olona mampiasa azy. Ny fitiavana tsy voahevitra sy tsy ampy fanadihadiana ihany koa, dia fahavoazana no aterany. Izany angolan-kevitra sy fihetseham-po izany ny fonosin’ny fanovana endri-javatra eto.

Mbola hita ihany koa ity karazana fanovana endri-javatra ity ao amin’ny “Hahita anao”149

-(…)

-(…)

“Hahita anao mahalala ny zavatra iriko

Hahita anao Malala fanefitra mahomby

148 V.A.lah.66, op.cit.tak.121, and.1 149 V.A.lah.,op.cit.tak.145, and.3 154

amin’ny androm-pahoriako”

Ny oharina eto , dia “Malala”. Ny anoharana kosa indray, dia tsy mihanjahanja avy hatrany fa ny toetrany no resahina, dia ny hoe fanefitra. Izany hoe, toy ny fanafody. Ny vakisiny ohatra no fanefitra amin’ny karazana aretina maro, mahatonga ny olona ho salama. Oharin’i RADO RAMAHERISON amin’ny toetra ananan’ny fanafody ny olon- tiany. Aminy izany, dia ity farany no afaka mamaha ny olana mianjady eo amin’ny fiainany raha tojo zava-tsarotra izy. Iankinan’ny fiainany tanteraka ny olon-tiany.

Ny fanovana endri-javatra azo avy amin’ny fanafiana toetry ny anoharana ny oharina no nojerena teo . Horesahana manaraka indray ny amin’ny fanovana endri-javatra azo avy amin’ny fampitoviana ny oharina sy ny anoharana.

b-fanovana endri-javatra azo avy amin’ny fampitoviana ny oharina sy ny anoharana

Eto kosa indray, dia ampitoviana ny oharina sy ny anoharana ka ilazana hoe ny oharina, dia ny anoharana ihany, ary ny anoharana, dia ny oharina ihany. Matetika, dia ahitana kianteny enti-mampitovy (dia, toy,…) ny fehezanteny. Indraindray koa anefa tsy hita taratra ilay fampitoviana fa mazava ao an-tsaina fotsiny. Misongadina ity karazana fanovana endri-javatra ity ao amin’ny “Satria re dia nahoana”150

-“Andriamanitra ô!

Fa dia nahoana loatra no tsy vitanay akory

Ny mihoatra ny herintaona

Dia efa ady foana foana no fiainana isan’andro

tsy misy ny masoandro mba mihiratra aminay

Vao hafiriana monja ny tokantranonay

kanefa izao sahady ny fifandraisanay

nefa,hono,dia mpivady

150 V.A.lah.42, op cit.tak.54, and.1 155

Vao hafiriana monja dia zary toy ny fonja

sy helo mahamay”

-(…)

-(…)

-(…)

Oharina amin’ny “fonja” sy “helo” eto ny tokantrano. Ny “fonja” moa tsy inona fa toerana fanasaziana sy famaizana ireo olona meloka teo anivon’ny fiarahamonina. Fijaliana araka izany no hita any, satria tsy miaina anaty fahafahana intsony fa voafatotra. Ny “helo” kosa, dia ny farihy mirehitra afo araka ny finoan’ny kristianina itoeran’ireo ratsy fanahy ka ijaliany.

Toy izany ity tokantrano voalaza eto ity. Tokantrano tsy ahitana fahasambarana sy mosarena fiadanana. Anjakan’ny tsy filaminana tanteraka. Lavitry ny fitoniana.

Hita ihany koa ity karazana fanovana endri-javatra ity ao amin’ny “Nilazako ireny ianao”151

“Nilazako ireny ianao,nilazako tsy hatoky

Efa hitako ihany mantsy fa izy iny dia boloky

Nadikanao anefa ho fialonako izy ireny

Lavo izao ianao, moa àry ve jereny”?

Oharin’ny mpanoratra amin’ny “boloky” eto ity olona voalaza amin’ny tononkalo ity. Ny “boloky” dia mamerina izay sioka ataon’ny olona azy fotsiny no ataony. Mora adalaina araka izany izy. Dia toy izany ny toetran’ity olona voalaza eto ity: mora rebirebena, tsy manana ny maha izy azy. Voafitaka araka izany izay miantehitra aminy.

Ny fanovana endri-javatra no nezahina novahavahana teo. Fanovana endri-javatra roa no nisongadina tamin’izany, dia ny fanovana endri-javatra azo avy amin’ny fanafiana toetry ny anoharana ny oharina, sy ny fanovana endri-javatra azo avy amin’ny fampitoviana ny oharina sy ny anoharana.

151 V.A.lah.66, op.cit.tak.121, and.3 156

Tsapa tamin’izany fa nampifintina ny filazan-javatra ny fanovana endri-javatra. Ny filazan-javatra anefa no nifintina, fa ny hevitra kosa mafonja aoka izany. Mahatonga ny tononkalo ho mateza dinihina izany. Ndeha hasian-teny indray ny amin’ny fanovana anarana. 3.3.3.2 ny fanovana anarana na “Métonymie” Ny fanovana anarana, dia fomba filazan-javatra ampiasana ny teny manondro zavatra iray hanondroana zavatra iray hafa. Fanovana anarana no hita ao amin’ny “Neny a!”152 Neny a!

“Na tsy hitako aza ianao dia tsapako mihitsy

fa amin’ny ora toy izao dia mangirifiry indrindra

ny kibo nifonosako”

(…)

Nampiasa io andian-teny io ny mpanoratra mba tsy hivantanan’ny tiany holazaina avy hatrany. Ny hafatra tiany hampitaina mantsy, dia ny hasarobidin”ny Reny. Manana anjara toerana lehibe ny Reny, satria nahitana masoandro. Izy no namolavola tao an- kibo. Izay no nahatonga ny mpanoratra hampiasa io sarin-teny io eto.

Hoy koa izy ao amin’ny “Sombinaiko”153

“Raha avy sombinaiko izay ho sompatr’ito tany

Dia fadionao indrindra ny hilofika tomany”

(…)

Raha avy sombinaiko izay ho sompatry ny ankaso

Dia aoka tsy ho am-po izay rotsa-dranomaso”

152 V.A.lah.57, op cit .tak.66, andl.1-2-3-4 153 V.A.lah.20, op.cit.tak.132, and.1, andl.1-2 and.2, andl.1-2 157

(…)

Tsy novantanin’ny mpanoratra ihany koa eto ny hafatra tiany hampitaina. Ny tiany hambara amin’ny hoe: “sompatr’ito tany” sy ny “sompatry ny ankaso”, dia ny fahafatesana. Lalana tsy maintsy lalovan’ny zanak’olombelona tokoa mantsy izany fahafatesana izany. Entin’ny miankandrefam-baravarana, hoy ny fitenenana. Tsy tokony hitanondrika fa hitraka hatrany manoloana izany, hoy ny mpanoratra.

Ny fanovan-javatra no novelabelarina tao amin’iny zana-pizarana iny. Nisongadina tamin’izany fa nampiasa fanovana endri-javatra sy fanovana anarana ny mpanoratra. Hovahavahana indray ny amin’ny sarin-teny hafa.

3.3.3 ireo sarin-teny hafa

Navondronay ao anatin’ity sarin-teny ity avokoa ny filaza matavy na “hyperbole”, ny fehezanteny mifamaly rafitra na “parallélisme” , ny teny roa mifamaritra nefa mifangari-kevitra na “oxymore”, ny fanomezana toetra olona ny zavatra iray na “personnification”.

3.3.3.1 ny filaza matavy (hyperbole)

Fomba filazan-javatra mihoatra ny tena izy, na manatsara izany na manaratsy, na manalehibe, ny filaza matavy (hyperbole).

Mampiasa ity karazana sarin-teny ity i RADO RAMAHERISON ao amin’ny “Manala tena”154

“Niangaran’iza loatra izato ianao ry tovovavy

No dia aminao daholo no hitakitako avy

ireo marin-tsivana ilaiko

ahasahiako manambara

(noho ny fahajamban’ny saiko)

154 V.A.lah.11, op cit.tak.44 158

fa hatrizay ka hatrizao

dia tsy misy afa-tsy ianao

no hany tena tsara

Eto Madagasikara”

(…)

Maro be ny tovovavy eto Madagasikara. Tsy vitsy izy ireo ny tsara tarehy sy tsara bika. Manizingizina mihitsy anefa ny mpanoratra eto fa ny olon-tiany no tsara indrindra eto amin’ny tanindrazany. Nampiasainy eto ny “hyperbole” ilazany fa tokana aman-tany ny olon-tiany. Tsy misy mahasolo azy.

Ahitana izany koa ao amin’ny “Saino tsara vao mitia”155

“Farany ho ritra ny ranomasonao

satria vao resy ianao dia tomany lava izao

no entinao milaza fa voafitaka indray

Resaka fitiavana matoa misy izay

Dia ilay fitiavana, fitiavan’olon-droa”

Tsapa amin’izao fa tena manao laza masaka mihitsy ny mpanoratra. Ny ranomaso izay tsy ho ritra na oviana na oviana, dia ambarany fa ritra. Nampiasainy eto ny “hyperbole” ilazany ny takaitra entin’ny fitiavana tsy voahevitra. Te hampitandrina ny tanora vao miditra eo amin’ny tontolon’ny fitiavana izy. Ratram-po sy fijaliana no miandry ny tovolahy sy ny tovovavy rehefa tsy manadihady tsara ny amin’ny olona izay hotiaviny izy ireny.

Fa ankoatra ny fampiasan’ny mpanoratra “hyperbole”, dia tsikaritra ao amin’ny tononkalony ihany koa ny fehezanteny mifamaly rafitra na “parallélisme”.

155 V.A.lah.49, op.cit.tak.33, and.1, andl.1-2-3-4-5 159

3.3.3.2 ny fehezanteny mifamaly rafitra na “parallélisme”

Ny antsoina hoe fehezanteny mifamaly rafitra “parallélisme”, dia sarin-teny ahitana fehezanteny roa na mihoatra mifanesy na tsy mifanesy fa mitovy tsinjara toerana ao anaty fehezanteny.

Ahitana io fehezanteny mifamaly rafitra io ao amin’ny “Misy”156

“Misy

Misy vao sambany nitia dia voafitaka sahady

//

Misy

Misy tsy mpifankatia akory kanefa dia nivady”

Hita amin’izao fa mifamaly daholo ny vanim-pehezanteny mamorona ireo fehezanteny ireo. Mifanipaka kosa anefa ny hevitry ny fehezanteny. Mampafonja izay tiana hambara ny fampiasana fehezanteny mifamaly rafitra tahaka itony. Ny “parallélisme” eto no nentin’ny mpanoratra manasongadina ny zavatra tsy ampoizina eo amin’ny fitiavana.

Miharihary ihany koa ny fisian’ny “parallélisme” ao amin’ny “Misy ny fitia”157

“Misy ny fitia natao ho tsy anjara

kanefa dia tontosa, tontosa soa aman-tsara

Efa natao hoe hoe ho rava sy ho foana

kanefa dia mateza am-polopolon-taona

fa

156 V.A.lah.73, op cit.tak.120 157 V.A.lah..52 160

Misy ny fitia tsy tody hatrany am-para

kanefa dia tsy maty sy mitoetra ho tantara

tsaroana eny foana

tsy levon’ny fotoana”

Miharihary eto fa mifamaly rafitra ny andininy voalohany sy ny andininy faharoa amin’ity tononkalo ity. Mitovy ny vahan’ny fehezanteny, ary mitovy ihany koa ny hevitra ambarany.

Nampiasain’ny mpanoratra eto ny “parallélisme” entiny maneho ny hery hananan’ny fitiavana.

Voamarika ao amin’ny tononkalon’ny mpanoratra ihany koa ny fisian’ny teny roa mifamaritra nefa mifangari-kevitra.

3.3.3.3 ny teny roa mifamaritra nefa mifangari-kevitra

na “Oxymore”

Ny “Oxymore”, dia sarin-teny azo avy amin’ny teny roa mifamaritra nefa mifanipa- kevitra, na teny roa mifanipa-kevitra nefa mamaritra teny iray ihany.

Ahitana ity karazan-tsarin-teny ity ao amin’ny “Màhina”158

“Misy tabataba,tabataba fa mangina

Misy koa mangina anaty tabataba

Fa misy indrindra koa ireo sady tsy mangiina

No koa tsy mikotaba”

- (…)

- (…)

-(…)

158 VA.lah.12, and.1 161

Mihanjahanja avy hatrany ny fifanipahan-kevitra amin’ireo teny roa ireo. Ny hoe “tabataba” mantsy, misy feo mivoaka mafy. Ny “mangina” kosa , tsy andrenesam-peo na dia kely akory aza. Nataon’ny mpanoratra eto izany mba hampitandremany ny mpiara-belona, fa misy ny mpihatsaravelatsihy eo amin’ny fiarahamonina. Misy ny tsara vava imaso fotsiny, fa ny any am-po tsy mifanaraka amin’izany.

Tsikaritra ihany koa ity sarin-teny ity ao amin’ny “Resa-pôlitika”159

“Misy jamba fa mahita

Mahita ny tsy hitan’ny hafa tsy mba jamba

Misy dia tsy jamba kanefa tsy mahita

Jamba tsy mahita ny tetika efa vita

Tetika efa vita,teti-pôlitika”

- (…)

- (…)

- (…)

Ny teny roa mifamaritra nefa mifanipa-kevitra eto, dia ny hoe “jamba” sy “mahita”. Raha ny tokony ho izy, dia tsy mahita ny jamba. Voalaza eto anefa fa mahita izy. Nentin’ny mpanoratra nampiseho ny toetra ratsin’ny mpanao pôlitika ny “oxymore” eto. Fetsy ary mpamita-bahoaka izy ireny. Mahita hevitra hanjonoana ny vahoaka foana.

Mampiasa “personnification” ihany koa i RADO RAMAHERISON ankoatra ny “oxymore”.

3.3.3.4 fanomezana toetr’olona ny zavatra iray

na “personnification”

Ny “personnification”, dia sarin-teny anomezana toetr’olona ho an’ny zavatra iray. Izany hoe, ampifanarahana amina toetran-javatra iray ilay olona dia izay no iantsoana azy.

159 V.A.lah.17, and.1 162

Ahitana io sarin-teny io ao amin’ny “Fa maninona160”

“fa dia nahoana indrindra

No sahinao lazaina

Ho tsy afaka hifandrindra

Ny fitiavantsika ry Aina?”

(…)

Ny “Aina” no mamelona ny zanak’olombelona. Rehefa miala ao amin’ny olombelona io “Aina” io, dia tsy afaka manao na inona na inona intsony izy.

Ahitana “personnification” ihany koa ao amin’ny “ ô ry foko!”161

“ô ry foko!

Tahaka ahy ihany koa dia mahaiza indry mandainga

Hihaona mantsy izahay ka andrao dia ho tsikariny

Fa tsy ny endriny intsony izay mba tsaratsarany ihany

Na ny toetrany akory no hitiavako azy hatrany

Fa noho ny volabe,noho izahay ilay mandehandeha

(noho isika mantsy e!)

Sy ilay mitsaky foana foana

(…)

Amin’ny ankapobeny, dia ny olombelona no mandainga. Izany toetran’ny olombelona izany eto no omena ny “Fo”. Ny tian’ny mpanoratra hambara eto, dia hoe: mahay mamitaka ny fon’ny zanak’olombelona. Tsy tokony hitia be amin’ny fo rehefa mitia olona iray, satria mety ho tsy tena fitiavana vokatry ny fo no atolotry ny olon-tiana fa fitiavana sandoka ihany.

160 V.A.lah.35, op cit.tak.100, andl.1-2-3-4 161 V.A.lah.47, op cit.tak.123 163

Fehin’ny fizarana fahatelo:

Tao amin’ny fizarana fahatelo no nanasongadinana ny fomba nanehoan’ny mpanoratra ny vetsom-pitiavana. Ny filalaovana amin’ny fomba fanoratra, ny filalaovana amin’ny voambolana, ary ny filalaovana amin’ireo sarin-teny isan-karazany no noresahana tamin’izany.

Tsapa tamin’izany àry fa tsy nampiasain’ny mpanoratra amin’ny tsy antony ny mari- pijanonan-tsoratra tao amin’ny tononkalony fa nanana ny lanjany avokoa: ny teboka telo, ny baraingo, ny teboka roa, ny tsoraka. Tsy latsa-danja amin’izany koa anefa endriky ny fehezanteny nampiasainy sy ny bika amana endriky ny andininy sy andalana ao amin’ny tononkalony.

Tsikaritra ihany koa ny fahaizany naneho ny fihetseham-pony tamin’ny alalan’ireo voambolana sy sarin-teny isan-karazany.

164

TENY FAMARANANA

“Ny tara-kevitry ny fitiavana araka ny ahitana azy ao amin’ireo tononkalon’i RADO RAMAHERISON voarakitra ao amin’ny bokiny Ronjom-bazo, Fanalahidy ary Ranontany” no lohahevitra nanompananay ity asa fikarohana ity.

Tsiahivina fa ny haitsikera ara-tantaram-piainana sy ny haitsikera ara-piarahamonina no nampiasaina tamin’ny fitrandrahana ireo tononkalo dimy amby fitopolo.

Nahitana fizarana telo lehibe ity asa fikarohana ity. Ny fizarana voalohany, dia natokana tamin’ny fijerena ny mombamomba ny mpanoratra sy ireo hery namolavola azy hihira ny fitiavana. Noresahina tamin’izany ny fiainany teo anivon’ny ankohonany sy ny fianakaviany.

Nasiana teny avy eo ny amin’ny fanabeazana azony teo anivon’ny fiarahamonina. Toraka izany koa ny fitaizana azony teo amin’ny sehatry ny fivavahana. Namolavola azy ihany koa anefa ny asany sy ny andraikitra hafa nosahaniny.

Namaranana ny fizarana voalohany ny firesahana ny firotsahan’ny mpanoratra teo amin’ny sehatry ny literatiora. Nambara tamin’izany fa anisan’ny nampiroborobo sy nampivelatra ny talentany ny fitantanana nataon’ireo poeta hafa namany. Nanampy izany ny fandraisany anjara tamin’ireo hetsika ara-java-kanto maro sy ny fifaneraserany tamin’ny haino aman-jery samihafa.

Tao amin’ny fizarana faharoa kosa no namahavahana ireo sehatra samihafa nivetsoany ny fitiavana : eo amin’ny olon-droa mifankatia, eo amin’ny sehatry ny ankohonana sy ny fianakaviana, ary eo amin’ny sehatry ny fiarahamonina sy ny tanindrazana.

Raha ny momba ny fitiavana eo amin’ny olon-droa mifankatia, dia nojerena tamin’izany ny fitsiriny. Misy singan-javatra isan-karazany mety hampitsiry ny fitiavana toy ny volo, ny hodi-tava, ny maso, ny molotra, ny famindra. Endrika ivelany avokoa ireo. Fa mampitsiry ny fitiavana koa ny toetra amam-panahy ananan’ilay olona.

Novoaboasana koa ny amin’ny fomba enti-maneho fitiavana, dia ny fifampizarana teny mamy, ny fanajana ny olon-tiana, ary ny fanomezan-danja azy manoloana ny hafa.

165

Rehefa avy niresaka ny fitsirin’ny fitiavana, dia nasian-teny indray ny amin’ny fivelarany. Tao anatin’izany no nahitana fa manana ny heriny ny fitiavana, ary mety handalo sedra maro ny mpifankatia eo amin’ny fiainam-pitiavany.

Fa ankoatra ny fitiavana eo amin’ny olon-droa mifankatia, dia novahavahana koa ny teo amin’ny sehatry ny ankohonana sy ny fianakaviana. Ny fitiavan’ny Ray aman-dReny ny zanaka, ary ny fitiavan’ny zanaka ny Ray aman-dReny no navoitra tao.

Tsapa tamin’izany fa manao izay hahatafita ny sombin’ny ainy ny Ray aman-dReny. Tsy hadinony ihany koa ny mananatra sy mampianatra azy hiatrika ny fiainana.

Etsy andaniny, dia maneho fanajana ny Reniny ny zanaka. Mitrotro am-bavaka ary manoro hevitra azy. Manoro hevitra ny Rainy sy mamela ny hadisoany ihany koa raha ilaina izany.

Taorian’izany, dia ny teo amin’ny sehatry ny fiarahamonina sy ny tanindrazana indray no nohadihadiana.

Raha ny teo amin’ny sehatry ny fiarahamonina, dia nisongadina tamin’izany fa maro ny zava-misy hitan’ny mpanoratra eo amin’ny fiarahamonina misy azy: ny fahasahiranan’ny mpiara-belona, ny fifaminganana eo amin’izy ireo, sns

Raha ny teo amin’ny sehatry ny tanindrazana kosa, dia nasian-teny ny amin’ny zava- misy hitan’ny mpanoratra eto an-tanindrazany sy ny toe-tsaina tokony hananan’ny tsirairay.

Nambaran’ny mpanoratra tamin’izany fa tsy manana fitiavan-tanindrazana ny mpitondra. Tsy misy ny demôkrasia eto an-tanindrazany fa tia seza loatra ny mpitondra.

Araka izany, dia mila miady ho an’ny tanindrazana, manohitra izay mety ho tsindry hazo lena, mitrotro am-bavaka ny mpitondra, ary vonona ny hanolotra ny aina ho an’ny tanindrazana raha ilaina izany.

Tao amin’ny fizarana fahatelo no nojerena ny fomba nanehoan’ny mpanoratra ny vetsom-pitiavana.

Nahay niangaly sy namoaka ny fihetseham-pony tamin’ny endrika kanto ny mpanoratra. Fomba maro samihafa no nanehoany izany: ny filalaovana amin’ny fomba fanoratra, ny filalaovana amin’ny voambolana, ary ny filalaovana amin’ny sarin-teny isan-karazany. 166

Raha ny teo amin’ny fomba fanoratra, dia niharihary fa nanana ny heviny avokoa ny mari-pijanonan-tsoratra nampiasain’ny mpanoratra: ny teboka telo, ny baraingo, ny teboka roa, ny tsoraka.

Nanan-danja ihany koa ny endri-pehezanteny nampiasainy toy ny fehezanteny amin’ny filaza mandidy, ny fehezanteny ahitana sora-baventy sy sora-mandry. Toraka izany ihany koa ny bika amana endriky ny andininy sy andalana ao anaty tononkalo.

Nisongadina ihany koa ny fahaizan’ny mpanoratra nilalao tamin’ny voambolana sy ny sarin-teny isan-karazany: nindrana voambolana avy ao amin’ny Baiboly izy. Tao ihany koa ny voambolana noloarana avy amin’ny foto-pisainana malagasy.

Manavanana ny mpanoratra ihany koa ny fampiasana ireo sarin-teny maro isan- karazany. Anisan’ireny ny fampiasany ny tamberin-javatra sy ny fanovan-javatra, ary ireo sarin-teny hafa.

Eto am-pamaranana, dia tianay ny manantitrantitra fa tsy tonga lafatra akory ity asa fikarohana nataonay ity. Maro ny zavatra mety ho tsy voalaza sy tsy ho tomombana araka ny tokony ho izy. Na dia eo aza anefa izany, dia manantena izahay fa hanampy ny tsirairay izy ity, na mpianatra, na mpampianatra, na mpikaroka.

167

IREO BOKY NANOVOZAN-KEVITRA BOKY AMIN’NY TENY MALAGASY -ANDRIAMANANTENA (G) Dinitra, Edisiona New Print, Antananarivo, 2001 168.tak Sedra, Edisiona New Print, Antananarivo, 75.tak -DOX [Pseud.][RAZAKANDRAINA Folihala, Tranopirintim-pirenena, 1968 (J.V)] Antanananarivo, 213.tak

-OM-GUI [Pseud.][RABESAIKY Ainga sy vohitra: ilay kanto indrindra -NILO Guillaume Marie] sinoratry ny fo, Imprimerie Catholique 1995 Antanimena Antananarivo, 32.tak

-RAJAONA (S) Takelaka notsongaina I, Librairie 1972 Ambozontany Fianarantsoa, 197.tak. 2003 Takelaka notsongaina II, Edisiona Ambozontany Analamahitsy Antananarivo (Natonta fanintelony), 478.tak 2006 Ny zava-kanto vita amin’ny teny na ny sarin-teny amin’ny fomba filazan-javatra, Edisiona Ambozontany Fianarantsoa (Natonta fanindroany), 144.tak

-RAKOTONAIVO (F) Ny diampenin’ Ny Avana RAMANAN- 1993 TOANINA (1891-1940), Edisiona Ambozontany Fianarantsoa, 266.tak

-RAVELOJAONA Tanindrazana sy ny firenena ary isika 1972 Malagasy, Imprimerie Spéciale Anjohy Antananarivo, 16.tak.

168

-RAVOAJANAHARY (Ch) Tantaran’ny haisoratra 1896-1915, 1973 Antananarivo, STELARIM

BOKY AMIN’NY TENY FRANTSAY

-CHASSANG (A) Les textes littéraires généraux, Collection DENNIGER (Ch) « U », Classique Hachette, 534.tak 1958

-LAGARDE&MICHARD Le XIXe Siècle, Editions BORDAS, Paris, 1969 576.tak

-KHRAPTCHENKO (M) La personnalité de l’écrivain et l’évolution 1974 de la littérature, Editions du progrès, Moscou -MAURIAC (F.) Le romancier et ses personnages, Editions 1933 R.A.BUCHET/CHASTEL.CORREA,81.tak

-ROY (C) Le soleil du romantisme, Editions 1960 Gallimard, Paris

-SAINTE-BEUVE [Pseud.][Charles Portrait littéraire, Edmée de la 1964 AUGUSTIN] ROCHEFOUCAULD, Ed-Universitaire, Paris, 1380.tak

-SARTRE (J.P) Qu’est-ce-que la littérature ?, Editions 1969 Gallimard, Collection Idées, Paris, 373.tak

-WEBER (J.P) Genèse de l’œuvre poétique, Editions 169

1960 Gallimard, Paris, 563.tak

La théorie littéraire, Editions du seuil, -WELLEK (R) & WARREN (A) Collection poétique, Paris, 398.tak 1971

GAZETY SY FIKAMBANANA

-Aingam-pivoarana, 1979

-Ny Sakaizan’ny tanora, Novambra, 1931

-Mpanolo-tsaina, Jolay, 1908

-FI.M.M.TE.MA Amboaram-pahatsiarovana Ny Avana 1990 RAMANANTOANINA, Université d’Antananarivo, E.N.S

RAKIBOLANA -ABINAL&MALZAC Dictionnaire Malgache-Français, Faculté 1962 d’éditions géographiques maritimes et

coloniales, Paris,876.tak

-Grand Larousse ENCYCLOPEDIQUE Tome 8, Librairie Larousse,Paris, 1060.tak 1963

-MORIER (H) Dictionnaire de poétique et de rhétorique, 1961 P.U.F, Paris

-RAOLISON (R.R) Rakibolana malagasy, Edisiona 2003 Ambozontany Analamahitsy, 1061.tak

BOKY MIKASIKA NY ASA FIKAROHANA -ANDRIAMALALA (M.H) Ny fitiavana tarafina ao amin’ny 2014 tononkalon’i Ny Eja araka ny ahitana azy ao amin’ny amboara Ilay fitia (Mémoire de C.A.P.E.N)

170

-RAHELIARIMALALA (C) Ny fitiavana tarafina ao amin’ny asa soratry RABENJA Salomon (Mémoire de 1996 C.A.P.E.N)

Ny fitiavana tarafina ao amin’ny asa -RAZANATIARAY (H) soratr’i HAINGO (Mémoire de 2008 C.A.P.E.N)

TRANONKALA (WEBOGRAPHIE)  http://madagate.com/madagascar-informations-politique-malagasy-photos- madagascar/a-la-une-de-madagascar/madagate-video-et-affiche/2395-olga ramaroson-ny maha-olona-ny olona-dia-ny-fananany-trano-fonenana.html  Jean- claude.regnier.pagespero-orange.fr/joao…/Approche Biographique  WWW.forum-religion.org/.../l-amour-t111,2 Août 2009

171

TOVANA

FARIBOLANA SANDRATRA

172

FARIBOLANA SANDRATRA Récepissé N° 90 / 94 FAR / ANT / AT / ASS

Récepissé N° 90 / 94 FAR / ANT / AT / ASS A.R n° 89 / 015 du 11 / 01 / 1989

A.R n° 89 / 015 du 11 / 01 / 1989 Foibe : Logt Q 46 Cité Ampefiloha

Foibe / Biraom-pifandraisana : Tahala Rarihasina Analakely Filoha : RAKOTOSOLOFO Joseph (SOLOFO José)

Filoha : RASOLOMAHENINA Manirisoa (Niry-Solosoa) 020 22 269 43

Finday : 034 60 024 10 - 033 41 105 32

Fesiboky : Manirisoa Rasolomahenina

Mailaka : [email protected] « Haisoratra , rakitry ny lasa , fanoitry ny ho avy »

« Haisoratra , rakitry ny lasa , fanoitry ny ho avy »

MOMBAMOMBA NY MPIRAIFARIBOLANA ( Tovana I)

*******

SAMPANA : ANTANANARIVO

SOLONANARANA : RADO RAMAHERISON

ANARANA sy FANAMPINY : RAMAHERISON Radoarijaona

TERAKA NY : 06 Aprily 1978 TAO : Tsarahonenana Itaosy

ZANAK’I : RAMAHERISON Hans Olivier (Adjoint de Service de classe Principale misotro ronono)

SY : RAHOLIMALALARIVELO Simonette (Gérante)

MONINA AO : Ankadindramamy LOT : II H 12 P

173

ASA ATAO / NATAO :

 Nanomboka ny volana May 2011 : Chargé d’Etude (MDN/SG/DRH/SEFF)  Aogositra 2009 - Febroary 2010 : Agent numériseur de cartes censitaires (I.N.STAT/C.C.E.R)  Jolay 2008 - Jona 2009 : Contrôleur Informatique (I.N.STAT/D.D.S.S)  Febroary 2006 - May 2007 : Responsable de saisie (Entreprise EZAKA - Alarobia Amboniloha)  Septambra 2004 - Desambra 2005 : Gestionnaire (Société CREATOR - Andranonahoatra Itaosy)  Aprily - May 2003 : Employé temporaire (CITY EXPRESS - Antsahavola) LAHARAN’NY FINDAY : 034 19 080 18

ADIRESY MAILAKA : [email protected]

SOLONANARANA (FESIBOKY) : Rado Ramaherison

MANAMBADY AN’I : FELAHASINA Nofy Nambinintsoa

ZANAKA NATERAKA (arakara-jokiny) :

 RAMAHERISON Dimby Mandaniaina Mampianina  RAMAHERISON Dindoiankinana Maradona Ambinintsoa SEKOLY NIANARANA :

 CNTEMAD ( 2004 - 2006 )  Lycée Nanisana ( 1995 - 1998 )  St François-Xavier Antanimena ( 1994 - 1995 )  St Joseph Andohalo ( 1993 - 1994 )  CEG Avaradrova ( 1989 - 1993 )  Collège Hoavintsika Ambohidahy ( 1988 - 1989 )  Sekoly Imboasalama Ampasampito ( 1983 - 1988 )  Ecole Privée Sully Tsaralalana ( 1982 - 1983 ) SOKAJY : SORATRA (*) / TEATRA (**)

TAONA NANOMBOHANA NANORATRA (*) / NISEHATRA (**) : 1994

174

(*) MANORATRA : TONONKALO / SOMBINTANTARA / TANTARA FORONINA / RIANKALO / TANTARA FANDEFA AMIN’NY ONJAM-PEO / TANTARA TSANGANA / LAHATSORATRA FAMAKAFAKANA / REHEFA NANDINIKA AHO (miendrika valonana)

IREO HEVI-DEHIBE VOIZINA ANATY ASASORATRA : Fitiavana , Fivavahana , Sôsialy , Pôlitika

BOKY EFA NAVOAKA :

 RANONTANY (18 Desambra 2009 - Amboaran-tononkalo)  FANALAHIDY (25 Febroary 2004 - Antsantononkalo CGM niarahana tamin’i LANTO TSIORY)  RONJOM-BAZO (23 Janoary 2002 - Antsantononkalo CGM niarahana tamin’i AVELO-NIDOR) VELAKEVITRA na/sy FIKAROHANA MANOKANA :

 Novambra 2011 : Ny haisoratra ankehitriny  Novambra 2011: Mpanabe ve ny Mpanoratra ?  Febroary 2001 : Mpamaky Toko fahatelo (nivoaka tao amin’ny Gazety Ambioka 35-36) GAZETY NA REVIO NANORATANA / HAINOAMANJERY NA TRANONKALA NAMOAHANA ASASORATRA :

 Radio Nasionaly Malagasy , Aceem Radio , Radio Antsiva , Radio Plus  Gazety Ambioka , Gazety NGAH , Gazety L’Observateur  Fesiboky

NIOMPANANA FIKAROHANA (E.N.S , F.L.S.H na HAFA) :

 Marsa 2012 : Fanadihadiana Mpanoratra - Sampana malagasy taona faharoa E.N.S - RANDRIAMALALA Marina Tsilavo Manampisoa  Septambra 2009 : Fanadihadiana Mpanoratra - Sampana malagasy taona faharoa E.N.S - RAFANOMEZANTSOA Antsa

175

 Aprily 2006 : Seminera - Sampana malagasy taona fahadimy E.N.S - RAZAFIMANDIMBY Vololontsoanelina Simonette Frédine FIFANINANANA NANDRAISANA ANJARA sy LOKA EFA AZO :

 2007 : Nahazo ny loka fahavalo nandritra ny fankalazana ny andron’ny boky sy ny zon’ny mpamorona ( 23 Aprily ) tao amin’ny Lycée Nanisana.  2006 : Loka voalohany tamin’ny fifaninanana nokarakarain’ny « Association MIKAJY » momba ny ankizy sy ny herisetra ( L’enfant et la violence ) tao amin’ny « Paroisse Internationale Andohalo ».

MPANORATRA ANKAFIZINA :

 Georges ANDRIAMANANTENA (Rado)  Ireo MPIRAIFARIBOLANA

MARIBONINAHITRA :

 28 Septambra 2013 : Chevalier de l’Ordre des Arts , des Lettres et de la Culture (Ministeran’ny Kolontsaina sy ny Vakoka - Arrêté ministériel n°1100/2013 du 23/01/13) TSARA HO FANTATRA HAFA :

 24 Novambra 2014 : Nanangana ny vondrona Pôetawebs (fesiboky) izay novaina hoe HAISORATRA sy HAITENY (HAIVOLANA) ny anarany nanomboka ny 18 May 2015  26 May 2013 : Voafidy indray ho filohan’ny FARIBOLANA SANDRATRA - Sampana Antananarivo mandritra ny 02 taona  03 Marsa 2012 : Teraka ny hetsika INDRO IZAO NY BOKY MANATONA ANAO  20 Desambra 2011 : Nanangana ny vondrona OMBAY MITADY NY VERY (fesiboky)  12 Septambra 2010 : Voafidy ho Filohan’ny FARIBOLANA SANDRATRA - Sampana Antananarivo, miandraikitra vonjimaika ihany koa ny rafitra nasionaly  May 2010 : Namorona ny “VASAVASA...TAFATAFA”

176

 11 May 2009 : Nanombohan’ny fifaninanana “ HAMALY sa HANORATRA ? ” : ao anatin’ny fankalazana ny faha-20 taonan’ny FARIBOLANA SANDRATRA sy ny faha-15 taona nanoratan-dRADO RAMAHERISON  31 Aogositra 2008 : Nivoaka ho Mpikabary ( fiofanana nokarakarain’ny S.L.K) tao amin’ny F.J.K.M Alarobia-Amboniloha ( Andia “ Santatra ” )

IREO LASA SEHATRASAN’NY FARIBOLANA SANDRATRA

 Janoary 2014 : Namerina ny HIRATRY NY KINTANA (Fahatsiarovana Mpiraifaribolana efa nodimandry) sy nametraka ny hanoloana ny iray minitra fahanginana ho iray minitra tehaka mirefodrefotra  Jolay 2011 : Nanokatra ny hetsika CGM handraisana vahiny nomen’i TOLOTRA ARINANDRIANA ny anarana hoe TAKALO KALO izay nanjary hoe ZARAFANAHY nanomboka ny taona 2012  Febroary 2010 : Fisian’ny FIHAONAMBE (Ny voalohany dia ny teny Ampitatafika ny 14-15 Aogositra 2011)  Aprily 2004 : Namorona ny hoe MPIRAY FARIBOLANA ho solon’ny hoe MPIKAMBANA izay nanjary hoe MPIRAIFARIBOLANA nanomboka ny volana Aogositra 2011

MPIKAMBANA AO AMIN’NY O.M.D.A : ENY

VOARAY HO ISAN’NY MPIRAIFARIBOLANA NY : 28 May 2000 (nametraka vina nanomboka teo fa izaho Sandratra andro iray , Sandratra mandrakizay)

Izao firotsahako izao dia maneho ny :

 fahavononako hiaina fa ny Faribolana Sandratra dia ara-panjakana ihany no fikambanana fa NY TENA IAINANA AZY dia FARIBOLANA (mifampitantana sy mifanome tanana fa tsy samy maka ho azy , misandratra hatrany , tsy misy ambony sy ambany saingy ny fifanajana sy ny fanajana ny zokiolona kosa dia mipetraka hatrany) MIFAMPAZAKA TSIKERA 177

FIFAMPITAIZANA eo amin’ny sehatry ny haisoratra izay MIAINA ireto TOETSAINA napetraky elie rajaonarison manaraka ireto :  Tsy ny manatsikafona ny lavenona no zava-dehibe fa ny misorona ary mitsoka ny Afo hampiredareda azy (Ambioka laharana 34 - Marsa 2001)  Mamorona fa tsy mamerina  Izay tsy mihetsika...mihitsoka (tsy miandry hirahina fa manira-tena)  fahavononako hanaja ny sata fototra sy ny fitsipika anatiny ifampitondrana sy isan-tsampana

178

RIANKALO VITSIVITSY

(Tovana II)

179

ETO AHO

Ankehitriny aloha tsy omeko tsiny ianao raha toa misalasala tsy mety mbola handray ny fitiavako Malala ; tsy omeko tsiny ianao fa haiko tsara mantsy , izaho mahalala tsara ireo tantara ratsy hatrizao tsy mbola maty izay efa niainanao . Nilaza mantsy ianao raha nitantara tamiko fa ilay notiavinao voalohany mba noheverinao indrindra hiarahana mianoka fiarahana mirindra , tsy hahitanao gidragidra , tsy hahitanao disadisa sy ny sisa sy ny sisa dia izy , izy indrindra no nalaky dia nifindra ho anilan’olon-kafa rehefa ela ny ela ka zary fahazarany tsy nahitany maminy ny miaraka aminao ; tiany hay ianao , tiany tena tiany nataony kilalao.

Ilay faharoa indray mba nampanantena koa fa hanolotra ho anao ny volana aman-kintana mpandravaka ny lanitra , ho mpanolotra ho anao vonin-draozy mena , raozy mena tena manitra ; nanolotra ny toky tsy hivadika aminao ; vonona hiaritra hiaraka aminao hisetra koa ny ankason’izao fiainana eto izao. Nataony anefa izany mba hampandriana anao tsy ho kaodikaody mihitsy fa hay ka efa nisy olon-tiany tany ho any , efa nomeny toky ho tsy maintsy halainy ho vady fa izay natolony anao dia fitia sarin’ady . Hahagaga ve raha tamin’ny ora sy fotoana tsy nampoiziny indrindra izay nahatrarana azy no nilazany imasomaso fa dia vazivazy ihany , vazivazy ihany no nataony taminao ?

Tsaroako tsara mihitsy ilay ianao tsy nahateny , ilay vatra nojereny nefa vonton- dranomaso , mbola saika hanao andraso raha tsy avy dia notanako , tsy nisalasala akory fa nety notantanako ; tsy nahatsiaro intsony fa nanitsy teo an-tratrako . Teo isika , teo dia samy teo , tsy nisy nahateny.

Ankehitriny kosa , indro akia rahavako , indro omeko anao ny manontolon’ny fitiavako ; izy manontolo fa tsy sanatria ny ampahany . Eto aho Malala hanampy anao tanteraka hanadino ny tantarany , hanadino koa ny anarany. Eto aho hanolotra ho anao ny nofinofinao rehetra , ny rehetra mamy indrindra andrandrainao hatrizao . Eto aho TIA ANAO.

RADO RAMAHERISON - 28 Marsa 2006 ( Eh!pistily , Marsa 2007 )

180

METEZA

Inona no ambarako , hanakory ity fitiavako fa mbola tiako loatra TIANA ilay Malalako , izaho manaiky mihitsy fa ilainy tena ilainy ny haka toky indray tahaka ny hatrizay fony mbola tsara , mbola tsara ny aminay , ilainy ny fotoana (ary dia omeko izany , omeko izany androany amin’izay ilainy mihitsy) anefa ny foko moa ataoko ahoana dia ity foko mbola tia , mbola manina anjoria.Ny foko ange hatreto MBOLA MANANTENA foana , MBOLA MINO lalandava fa ho avy ny fotoana hampikoro sy handrava ity rindrina mijoro manasaraka anay tsy HIAINA NY FITIA , dia rindrina najoron’ity foko adala ity ; tsy naka saina tsara , tsy nahay nandanjalanja , tsy nandinika akory ka zary nampahory , nampahory indrindra ilay andrianina sy Tiana , ilay Malalako dia TIANA.

Ny fitiavako Malala tsy soratra io akory ka fafana dia hiala , tsy zaza io akory ka rotsiana dia hatory.Ny fitiavako an’i TIANA tsy tenenina mangina dia hangina tsy hiteny , tsy izany velively fa fitiavana hafa kely , fitiavana hafa loatra , fitia nahay nandoatra izay rehetra fihetseham-po tsy vitako nambara , tsy nety ho voalaza fa fitia mavesa-danja , fitiavana hafa loko , fitia avy amin’ny foko , amin’ny foko manontolo.Ny fitiavako an’i TIANA , fitia tsy mbola niainako , fitia nahafoana manontolo ny ratran’ny tarainako ; koa mba METEZA moa Malala raiso indray ny tanako ; ekeo indrindra ny fitiavako.

« Ry ilay nitomoeran’ny foko hatry ny ela » , METEZA re hamela , METEZA mba hamela ny amintsika ho tahaka ilay fahiny , mamy koa raha mamy , fa ity foko ity Malala mbola tia ankehitriny , MBOLA TENA TIA , mbola MANANTENA , MANANTENA hotiavin-dry ; izaho dia tia an-dry amin’ny foko manontolo ka mba ento moa Malala ny hanitry ny lolo , ny hanitra fitia , ANDEHA ISIKA HANOHY NY DIA ENY AN-TSAHAN’NY FITIA.Misaotra an-dry mialoha ry Malalako indrindra tsy manam-paharoa.TIA manoroka an-dry amin’ny oroka mamy indrindra ; ny fitiavako Malala TSY HIOVA , TSY HIFINDRA sanatria fa mifantsika amin-dry , amin-dry mandrakizay , mandrakizay doria , amin-dry irery ihany mandra-pialako eto an-tany.Tsy laingako any izany.

RADO RAMAHERISON - Zoma 10 Febroary 2012

181

AZA TSAROANA INTSONY

Aza tsaroana intsony ny mombamomba ny amiko , aza tsaroana intsony afa-tsy ny toetra ratsiko niteraka alahelo , niteraka tomany . Aza tsaroana intsony ny ora nitsikiana fa ny sisa ataovy an-tsaina dia ny sento sy taraina nozakaina noho ny amiko . Aza tsaroana intsony . Marina tokoa fa nisy fifaliana niainantsika roa nefa iangaviako adinoy mihitsy ireny , adinoy daholo irony teny mamy , toky izay nomeko fa fitaka aby ireny . Ny toky izay nataoko hoe hanaiky anao ho vady dia ambarako eto izao fa tsy toky avy ao anaty fa teo imolotro ihany , dia ilay nakanao fy indrindra hoe mamy koa raha mamy , ka anaovako azafady ; ifonako mihitsy , ity nataoko re indrisy.

Hidika inona intsony moa izay ranomaso harotsaky ny aza manadino , ianao angaha moa hihaino , ianao angaha moa hino ? Ranomaso ho very foana , ho fandaniam-potoana ny mbola hiresaka aminao . Ny marina aminao dia tsy misy afa-tsy izao : ahy ny fahadisoana . Ka izaho tsy hitomany , tsy hitomany anao intsony , tsy hiandry intsony koa . Na oviana na oviana ny marina amintsika tsy hety ho tafahoana koa dia masina indrindra , masina mandrapihaona.

RADO RAMAHERISON - Sabotsy 31 Marsa 2012 (TSIMANDOA , Desambra 2014)

182

MISASAKALINA ETO

Misasakalina eto izao nefa mbola tsy hitako ihany , tsy hitako hatrizao manangasanga akory izay mety ho torimaso ka angamba aho hiaritory dia hahatsiaro anao . Hahatsiaro anao tokoa satria iza intsony moa , iza indray ankoatra anao no hotsarovako eto izao.

Dia mahatsiaro aho izao , mahatsiaro ilay isika ngolin’ny hatsiaka fa sendra tratra hariva dia tahaka ny hatsiaka iainako eto ankehitriny sy zakaiko samirery . Raha mba teto izao ianao dia ho alina hafa kely ity alina eto ity fa ho niaritory isika amin’izato volana baliaka , baliaka dia baliaka anaty fenomanana.

Dia tsaroana eto koa ilay isika nialangalana nisitaka ireo namana fa te hitoetra irery , tsy hisy hijerijery ka nahavatra mihitsy nihafy sy nitsitsy fa izao no zava-misy anefa tsy nisento na nivolana indrisy fa dia faly tena faly , faly anaty « jaly » . Misasakalina eto izao nefa mbola tsy hitako ihany ianao , tsy hitako hatrizao ilay malalako any ho any.

RADO RAMAHERISON - Talata 15 May 2012

183

HIHIRA HO ANAO

Izao anio izao no hihirako ho anao ny hira kanto indrindra tsy nohiraiko hatramin’izao dia hira kanto indrindra avy ao anatiko ao.

Ny feoko fantatrao fa makamaka fotsy izay nefa aza dia izay , aza dia izay no ifantohanao henoina fa izato hira hokaloina fa anatin’izy ity , anatin’izy ity ny fitiavako rehetra ; anatin’izy ity ny vina sy tigetra.

Izy ity hira hafa loatra , hira tsy havoaka fa hijanona ho antsika sy ireo ho taranatsika mba hahafahany miteny fa ity tamin’izany dia nohirain’i Dada natokany ho an’i Neny. Koa etsy kely akia ry tiako , etsy mitsikia dia etsy mifalia fa hihira aho ho anao tononkirana fitia.

RADO RAMAHERISON - Alakamisy 08 Oktobra 2015

184

IREO TONONKALO NODINIHAN'I LYDIARY SY IRA KA NANEKENA

NY HANDRAISANA AZY HO MPIRAIFARIBOLANA (May 2000)

(Tovana III)

185

ANTENAO SY IRIO

Hay mandratra ihany ity manantena loatra ity

nefa aza omena tsiny fa mahery ny fitia

ka na efa dify aza ny ora nifanaovana

dia mbola io eo ihany fa olo-tiana no andrasana

Ny maso , miherikerika aoka izany

fa sao manangasanga any

ilay tiany miavaka amin’ny maro

ilay lalainy tsy manam-paharoa

Ny sainy tsy mahatombina intsony

Manahy fa sao , hono , tsy tsaroany

Kanefa tampoka eo dia manantena indray

Miezaka ny mino fa sahirana izy izay

Saingy asa loatra fa tsy mety …

Ny ela niandrasana lazaina vetivety

Dia satriny tokoa raha tsy hody iry masoandro

Fantany eny mantsy fa ho matsatso ny nahandro

noho ilay tiany tsy tonga mba nandalo

Ny endriny ihany koa vao maika mialoalo

Ka tsy mety mionona ny sainy sy ny fony

Tsy antenainy tsy handalo intsony

Ka iny tokoa nandroso ny olon-tiany

Toa ihany ilay nantenainy sy niriny

RADO RAMAHERISON - 20 Marsa 200

186

MBOLA HANDRESY

Malala â ! Fa ahoana loatra ange no nandaharana antsika no toa isika irery no tsy mahita mibaliaka ? Ireny mantsy nosarahana tam-pomba feno hery fa tafaray ihany ny fo roa nanirery Dia nolazaina indray fa ambony sy ambany ka tsy afaka hiara-dalana raha mbola eto an-tany Ny antsika anefa mafy orina tokoa satria tsy nisy tery fa tena sitrapo ka dia nandresidresy teny ihany no sady tsy naharitra izany

Malala â ! Tsarovy fa mbola eto anefa aho dia izaho anilanao raha mitomany ka aza kivy fa antenao hatrany ilay maraina andrasantsika hatrizao ka amin’izay isika hahazo fandresena fa mialoha izay dia tohizo aloha ny ady Venteso foana ity tokana nekena dia ho leo ho azy ny mpisompatra handandy ka hihira anilanao izato foko fa dify tanteraka ny oran’ny toloko

RADO RAMAHERISON - 10 Febroary 2000

187

ASANAO HO TIA NY RATSY

Ho anao maniry mba hanana fiadanana kanefa trotra-dava an-dalam-pitadiavana mampiasa saina , vola aman-karena na koa mety hatramin’ny hafetsena dia aza atao mahagaga anao ankehitriny , raha tsy mandroso izay atao satria ilay hoe : “ ny farany ” nataonao tsinontsinona no koa narianao ilay fanahy maha-olona

Ka ny hafa , ilay nambaranao ambany dia mahagaga anao izato fiafarany

Ny hareny azo tam-pomba tena marina no ahelinao fa soloky , nangalarina

Ianao foana anefa no reraka amin’izany fa ny rehetra nahatsapa ireny fisasarany dia tsy hisy hino izany akory ka ny mety dia mandehana aloha matory dia saintsaino tsara fa raha eto dia mbola misy ny anjara manampy azy dia eo koa ny rariny , …

Ka asanao mbola ho tia ny ratsy sy ny tariny

RADO RAMAHERISON - 19 Marsa 2000

188

MBA HO AHY IRERY

Na tsy mivolana aza ianao dia azoko antoka tanteraka fa ao anatinao dia misy iray manjaka ankoatra ahy izay voaloham-pitiavanao

Ka zary ontsaontsa ny fanahiko misaina ilay ianao niteny tamiko fa na ho fifaliana na tomany isika roa hiara-dalana hatrany

Nanontany ianao indray andro izay raha toa mahazo matoky ahy dia hoy aho namaly an-tsitrapo tia dia tena tia anao tokoa

Izao anefa nandika izany ianao

Ny dinantsika nanjary kilalao

Kanefa na eo aza izany

Ny teniko tanako hatrany

Izaho haneho fa tena mbola tia

Satria izay no hahatonga saina an-dry

Ka hiverenanao anilako eto indray

Sy hampahitsy ny diso hatrizay ka amin’izay ianao dia tena ahy irery tsy ho tia fampitaha , tsy ho tia mpijerijery

RADO RAMAHERISON - 18 Marsa 2000

189

NY SORANY

Ianao mila ho kivy noho ny adim-piainana io

Ianao sasatra mitady ny hohanina anio

Noho ianao indrindra no nampisy azy ireny

Noho ianao tsy mana-mpihaino raha miteny no nanekeny hisolo vava anao tsy milaza izany fa ianao dia olo-meloka fa kosa variana izao tontolo izao dia tsy mandre izato ianao mitaraina

Ka ny sorany no feon’akoho maraina manapaka ny torimason’ireo renoka tsy mahalala fa anilany dia mbola eo ianao , ianao vatran’izy ireo seranina , ianao fanehoany ny hamafisan-tanany ka isan’andro dia efa zatra ny mangaina rehefa mahita ny fivilin’ny famindrany

Ny sorany no mampitraka antsika hatrany manoloana ireo setra apetraky ny fiainana sy milaza fa ny ora hiverenana ho tany no hanekeo fa tsy hahatohitra fiakarana

RADO RAMAHERISON - 17 Marsa 2000

190

IREO TONONKALO TELO VOALOHANY TAMIN’NY FIFANINANA

HAMALY sa HANORATRA – 2009

(Tovana IV)

191

VAHA VONA

Tsy fantatro Malala izay havoakan’ny ampitso Ka aoka aho tsy ho diso raha mandefa ho anao izao taratasy izao Manafatra sahady Mahery vaika mantsy ny aty ambava ady Raha toa lazaina izany, tsy mampahory akory fa noho ny fanahiako fa sao tsy hihaona intsony ny diantsika ry Aiko noho ny lahatra any ambony ka raha toa tokoany hipaika ny anjalisy hilaza sy hanambara fa dia rava ka tsy hisy ny ho tohin’ny tantara dia tsarovinao Malala ny HAMELA ny hadisoako fa nandao anao irery Noho ny amintsika no italahoako anao tsy hihevitra ireny na ranomaso izany na ny rehetra teny Raha toa nataoko ireny tsy sanatria akory tsy napetrako ho ambony irony dinantsika irony Fa noho ny nanekeko fa ilain’ny fireneko ny hitandrovana azy dia nanapa-kevitra aho, handray anjara hiady

Ka raha sanatria tokoany ny tsy hihaonantsika intsony dia manafatra aho sahady Avelako ianao, AVELAKO HANAMBADY

RADO RAMAHERISON - 26 Jona 2002

192

SAMBARA

Mba efa nisy ihany antsan’embona ivaiva Nofantenako ho anao, nokaloiko takariva Fony isika niara-dia, niombon-dalana namindra

Dia efa nisy koa andala-nofinofy Niriko mba ho antsika dia faniriana “fotsy” Sy andalam-betsovetso tsy hisy farany eto

Mba efa nisy koa tononkalo, tononkira Noforoniko ho anao tamin’ny alina mangina Fony izaho ilay nahatsiaro, nahatsiaro anao indrindra

Efa nisy izany saingy fikasana ihany Tsy voalahatra ny antsika, nefa aza mitomany Raiso ho fifaliana ny fo mifankatia Raiso ho fifaliana na dia tsy afa-miara-dia Sambara ianao malala, sambara foana foana Fa ho fifaliako izany, na ora firy na fotoana

RADO RAMAHERISON - 16 Septambra 2001

193

Loka voalohany : VONA TSY VOAVAHA , Setrin’ny VAHA VONA

Voaraiko soamantsara ny taratasinao

Miteniteny foana hanao ny tsy fanao

Tsiky no nasetriko ’lay « hafatrao sahady »

Ny tsiky hono mantsy « ampinga enti-miady ».

Saika tsy holazaiko fa zaraiko ihany

Izaho koa aty amperinady hatrany

Miezaka manohitra ny fihetsika mihantsy

Matahotra ny foko , mandry an-driran’antsy.

Soa ny ahy ny siniko fa tokam-po tokoa

Raha tsy rano no ao tsy zakako an-doloha

Koa aza miherikerika , atreho ny fahavalo

Na velona na maty , ianao tsy atakalo.

Vona tsy nahandotra fa vona fato-maty

Vona tsy voavaha fa mafy … tena mafy

Avelao ny fasana hanao ’zay tiany hatao

Izaho tsy maintsy hanaraka fa tsy afaka aminao.

TANDRA , 18 Jona 2009

194

Loka faharoa : HAFATRA ADALA , Setrin’ny VAHA VONA

Malahelo aho ry aiko , naharay ity taratasy

Ankona ilay fo , sady nangasihasy

Naharay ’zato hafatrao , mametraka sahady

Taintainam-paharesena , any an-tanin’ady

Sahirana fanahy , sady torovan-tsaina

Misaina ny amintsika , ka feno feritr’aina

Hivavaka aho ho anao , sy ho an’ny fireneko

Ny adidy nekenao , andraikitra nekeko

Aza misaina akory , izay hoe ho lavo an’ady

Ataovy mankahery , hoe miandry anao ilay vady

Ataovy ampinga fiaro , ilay dinantsika roa

Ny fitiavako anao , ataovy aro loha

Vonjeo ny tanindrazana atreho ny adidinao , raha ilain’ny firenena , izao sorontsika izao , tsy ho irery ianao , raha sanatria ka lasa f’iarahako aminao , ireo voavola sy kinasa

Ilay hafatrao adala , hamela ahy handeha tsy hamelako anao , mba saino kely ange fa raha tsy tonga ianao dia any isika mihaona ka ho antsika roa , ny tontolo no hisaon

RAOZIGASY SERASERA , 15 May 2009

195

Loka fahatelo : IZAY SITRAKAO , HO TELIKO ! , Setrin’ny SAMBARA

196

Asandratrao ny kanto ; Tsia ! ekeko izay voatendry

Radoinao ny meva , Ekeko ny ho olon-kendry

Fa voafaritra ao amin’ny Hionona aho Malala

Volan’ny mahery ianao , Fa ra’ts’izay , adala !

Zanaky ny malaza , Ka ny amaranako azy

Ka ny tosa-po akorisan’ny peninao Ho tsiky , vazivazy

No ra mikoriana Ianao koa : « Sambara ! »

Irantian’ny lafatra ! Sambara hatrany am-para !

Dia mira izaho sy ianao

Sambara hoe ry aiko ? Mira : samy tia

Toa nofinofy izany , Na tsy tafara-dia

Toa nofinofy ihany ! Voatery hifandao

Fa ataoko ahoana iky

Ny hahita hasambarana RAFANOMEZANTSOA Daniel ,

Misaina irony lalana 19 May 2009

Niarahana nandia ?

Aiza no hisy tony

Ra’mitsinjo irony

Aloka malefadefaka

Niarahana nipetrapetraka ?

Sambara hoy ianao ?

Teny ratsy fiako

Anaty foko ato !

Teny mankarary

Ts’iriko ho re akory

Fa foto-tsorisory

197

Ho an’ny fo mijaly !

Nefa aky ry Lala !

Ny lahatra mandidy

Ny anjara tsy safidy ,

Vatrako hikomy ,

F’izany no hampitony ?

198

REHEFA NANDINIKA AHO (Tovana V)

199

 Tsy mbola zatra mihitsy aloha isika hatreto mampiasa ny hoe HAISORATRA fa tsy LITERATIORA, anefa raha hoe literatiora dia mbola eo ny LITERATIORA AM-BAVA sy ny AN-TSORATRA no ihany koa ny hoe literatiora dia fandikana fotsiny ihany (izay toa mbola taratry ny fanjanahan-tsaina sy toetsaina voazanaka hatrany) ny hoe “littérature” anefa isika efa manana ny hoe HAISORATRA sy HAIVOLANA na HAITENY (ao anatiny ny hainteny) ihany koa mba hanavahana azy roa ireo ; ary tsy hoe HAISORATRA MALAGASY ihany koa fa HAISORATRA fotsiny satria ny hoe HAISORATRA dia efa malagasy

 Andry tena ilaina mampijoro ny literatiora , ankoatra ny Mpanoratra sy ny soratra , ihany koa ny mpamaky. (Lovako T12 , tak.112)

 Ny kanto dia ilay maharesy lahatra anao aloha, ary avy eo ny hafa , miavaka amin’ny maro sy voasetran’ny vanim-potoana nifandimby

 Ny kanto dia izay mahafeno ny fepetra miovaova mandrafitra ny famaritana ny atao hoe kanto izay voafaritra mialoha

 Ny aingam-panahy no hany herim-pamoretana ho amin’ny fahafahana

 Ny asasoratra no fanalahidin’ny fanambanin’ny fiarahamonina , tohatra sy tetezana ifandrohizan’ny miaina

 Tsy ny Pôeta no adala, fa ny fanahy misary adala manadala ny fanahin’ny Pôeta

 Tsy mpiteniteny foana ny Mpanoratra fa mpiteny foana foana

 Tahaka ny asan’ny Mpitandrina sy ny asa fanabeazana, dia antso ihany koa ny an’ny Pôeta sy ny an’ny Mpanoratra

200

 Raha misy ny azo ambara ho tena solombavambahoaka dia ny Pôeta sy ny Mpanoratra

 Ny mbola fiheverana fa mihamazava ny tiana holazaina rehefa lazaina amin’ny teny vahiny, no mahatonga ny maro mbola mampiasa ny teny vary amin’akotry, na dia maro amin’ireny aza no azo lazaina tsara amin’ny Teny Malagasy

201

FAMINTINANA

Nibahan-toerana tao amin’ny tononkalon’i RADO RAMAHERISON ny tara-kevitra « Fitiavana ». Nomena ny lohateny hoe : « Ny tara-kevitry ny fitiavana araka ny ahitana azy ao amin’ireo tononkalon’i RADO RAMAHERISON voarakitra ao amin’ny bokiny Ronjom-bazo, Fanalahidy ary Ranontany » araka izany ity asa fikarohana ity. Fizarana telo lehibe no misongadina amin’izany.

Ao amin’ny fizarana voalohany no niresahana ny mombamomba ny mpanoratra sy ireo hery namolavola azy hihira ny Fitiavana. Nojerena tamin’izany ny fiainany teo anivon’ny ankohonany sy ny fianakaviany, ny fanabeazana azony teo anivon’ny fiarahamonina, ary ny firotsahany teo amin’ny sehatry ny literatiora.

Ny fizarana faharoa kosa, dia nijerena ireo sehatra samihafa nivetsoany ny Fitiavana : eo amin’ny olon-droa mifankatia, eo amin’ny sehatry ny ankohonana sy ny fianakaviana, ary eo amin’ny sehatry ny fiarahamonina sy ny tanindrazana.

Ny fizarana fahatelo no namahavahana ny fomba nanehoan’ny mpanoratra ny vetsom- pitiavana : filalaovana amin’ny fomba fanoratra, filalaovana amin’ny voambolana, ary filalaovana amin’ny sarin-teny isan-karazany.

202

RESUME

Les différents thèmes sur l’amour occupent une place importante dans les œuvres poétiques de RADO RAMAHERISON. De cette importance qu’il a donnée à l’amour vient le titre « Ny tara-kevitry ny fitiavana araka ny ahitana azy ao amin’ny ireo tononkalon’i RADO RAMAHERISON voarakitra ao amin’ny bokiny Ronjom- bazo, Fanalahidy ary Ranontany» donné à ce travail de recherche qui se divise en trois grandes parties.

Dans la première partie, il sera question de la biographie de l’écrivain et des raisons qui l’ont poussé à parler de l’amour dans ses écrits: de par sa vie sociale et familiale, de l’éducation qu’il a reçue de la vie en société, et pourquoi il s’est imprégné de la littérature malagasy.

Dans la deuxième partie, on abordera les différents langages employés par l’auteur pour peindre les différentes sortes d’amour : amour entre deux personnes, amour familial et social, et amour patriotique.

Dans la troisième partie, la discussion se fera sur le style et l’élégance adopté par le poète par rapport à sa façon d’écrire, les vocabulaires utilisés, les figures de styles qu’il manipule.

203

ABSTRACT

In the poetical works of RADO RAMAHERISON, love has a special place. Related to that importance of love is the title of this paper is « Ny tara-kevitry ny fitiavana araka ny ahitana azy ao amin’ireo tononkalon’i RADO RAMAHERISON voarakitra ao amin’ny bokiny Ronjom-bazo, Fanalahidy ary Ranontany ». This paper is divided in three parts.

First of all, we will discuss the biography of the writer and the reasons that led him to talk about love in his writings; his social and family life, the knowledge and education he received from the society, and why he had chosen the Malagasy literature.

Then, we will see the different languages used the author to paint different kind of love: love between two people, family and social love, patriotic love.

Last but no least, the discussion will be about style adopted by the poet in relation to his writing,vocabularies used, and the figure of speech.

204

ANARANA : RAJERISON FANAMPINY : Aimé Maminiaina MOMBAMOMBA NY BOKY : -ISAN’NY TAKILA : 204 -ISAN’NY SARY : 1 LOHATENY: « Ny tara-kevitry ny fitiavana araka ny ahitana azy ao amin’ireo tononkalon’i RADO RAMAHERISON voarakitra ao amin’ny bokiny Ronjom-bazo, Fanalahidy ary Ranontany »

FAMINTINANA Nibahan-toerana tao amin’ny tononkalon’i RADO RAMAHERISON ny tara-kevitra “Fitiavana”. Nomena ny lohateny hoe: “Ny tara-kevitry ny fitiavana araka ny ahitana azy ao amin’ireo tononkalon’ i RADO RAMAHERISON voarakitra ao amin’ny bokiny Ronjom-bazo, Fanalahidy ary Ranontany” araka izany ity asa fikarohana ity. Fizarana telo lehibe no misongadina amin’izany. Ao amin’ny fizarana voalohany no niresahana ny mombamomba ny mpanoratra sy ireo hery namolavola azy hihira ny fitiavana. Nojerena tamin’izany ny fiainany teo anivon’ny ankohonany sy ny fianakaviany, ny fanabeazana azony teo anivon’ny fiarahamonina, ary ny firotsahany teo amin’ny sehatry ny literatiora. Ny fizarana faharoa kosa no nijerena ireo sehatra samihafa nivetsoany ny fitiavana: eo amin’ny olon-droa mifankatia, eo amin’ny sehatry ny ankohonana sy ny fianakaviana, ary eo amin’ny sehatry ny fiarahamonina sy ny tanindrazana. Ny fizarana fahatelo no niresahana ny fomba nanehoan’ny mpanoratra ny vetsom- pitiavana: filalaovana amin’ny fomba fanoratra, filalaovana amin’ny voambolana, ary filalaovana amin’ny sarin-teny isan-karazany.

TENY MANAN-DANJA: Fanalahidy, Fitiavana, Ranontany, Ronjom-bazo FONENANA: Lot II E 7 Bis Ambohimirary Ampasampito LAHARAN’NY FINDAY: 034 O6 677 02 MPITARIKA NY ASA FIKAROHANA: ANDRIAMANATSILAVO Seth (Maître de conférences)

205