RADO RAMAHERISON UNIVERSITE D’ANTANANARIVO Ecole Normale Supérieure Département de la Formation Initiale C.E.R Langue et Lettres malgaches Mémoire de fin d’études pour l’obtention du Certificat d’Aptitude Pédagogique de l’Ecole Normale (C .A.P.E.N) NY TARA-KEVITRY NY FITIAVANA ARAKA NY AHITANA AZY AO AMIN’IREO TONONKALON’I RADO RAMAHERISON VOARAKITRA AO AMIN’NY BOKINY RONJOM-BAZO, FANALAHIDY ARY RANONTANY Tome 2 Presenté par: RAJERISON Aimé Maminiaina Directeur de recherche: ANDRIAMANATSILAVO Seth (Maître de conférences) Antananarivo, 2015 Date de soutenance : 15 Décembre 2015 2 TENY FISAORANA Ety am-piandohana, ny teninay voalohany dia fisaorana an’Andriamanitra. Izy no Tompo sy Mpandahatra ny zavatra rehetra ary miantoka ny fiainan’ny zanak’olombelona. Notafiany hery sy tanjaka ary fahasalamana izahay ka afaka nanatontosa soa aman-tsara izao asa fikarohana izao. Hoderaina mandrakizay anie ny anarany masina. Etoana, dia tolorana fisaorana ihany koa Andriamatoa RATREMA William nanaiky am-pitiavana ho filoha hitarika ny fitsarana ity asanay ity. Ho lava velona anie ianao, hifanantitra amin’ny zanaka aman-jafy, ho mamy tian’ny soa ary hangidy ho lavitry ny ratsy. Manaraka izany, dia maneho fisaorana anao Ramatoa RATRIMOHERITOMPO Vololonantenaina Holiharinaivo tamin’ny fandavan-tenanao nanaiky hitsara ny asanay. Tsy nanosi-bohon-tanana anay ianao fa nanaiky an-tsitrapo sy amim-pitiavana rehefa niangavianay hanao izany. Andriamanitry ny fahatsarana anie hitahy sy homba anao hatrany. Tsy azo atao ambany maso tsy hita ianao Andriamatoa ANDRIAMANATSILAVO Seth izay nitarika anay. Ianao no niara-niasa akaiky taminay. Tsy nampaninona anao ny nohelingeleninay tamin’ny fotoana rehetra. Tsy nitarain-tana-miempaka sy tsy nikely soroka tokoa ianao fa nandraraka herim-po mba hahatafita anay. Tsy zava-bitika izany tompoko. Saotra mihoa-tsisiny ary dera mihoa-patra no omenay anao. Misao-jato, misaotra arivo tompoko. Tsy hohadinoinay ihany koa ny misaotra ny mpampianatra sy mpanabe rehetra tsy ankanavaka eto amin’ny sekoly, izay nanefy anay ho olom-banona nandritra ny dimy taona niofananay teto. Singanina manokana amin’izany ny Lehiben’ny Sampana misy anay Andriamatoa RANDRIAMAHAZO Jean Claude. Sitraka sy telina no atolotra anareo tompoko. Fa raha tsy teo anefa ny mpanoratra, izay angady nananana sy vy nahitana izao asa fikarohana izao dia zava-poana ihany. Noho izany dia maneho fisaorana an’i RADO RAMAHERISON izahay tamin’ny nanekeny hanaovana fanadihadiana ny asa sorany sy tamin’ny nanomezany fanazavana mahafa-po nandritra ny fanadihadiana nataonay taminy. Hiroborobo hatrany anie ny literatiora ataonao ary hivelatra ny talentanao. 1 Fisaorana ihany koa no atolotra ny tapaka sy namana rehetra, ny mpiara-mianatra, indrindra ny andiany ZAHATRA misy anay. Niara-nifarimbona sy nifanome tanana taminay ianareo ka nahavitanay izao asa izao. Hamarananay ny teninay, dia tsy hainay ny tsy hisaotra ireo loharano nipoiranay, lolohavina an-tampon’ny loha. Tsy nitsahatra nankahery hatrany tamin’ny fotoana nanatontosanay ny asa. Tsy nitandro vola aman-karena hahatafita ny zanany. Misaotra tompoko RAJERISON Aimé Maminiaina 2 FIZAHAN-TAKILA LOHATENY TAKILA TENY FISAORANA…………………………………………………………………….1 FIZAHAN-TAKILA…………………………………………………………………… 3 FANALAVAN-TENY…………………………………………………………………11 0- FAMPIDIRANA……………………………………………………………….13 0-1 ny sehatra nirotsahana………………………………………………………….13 0-2 ny anton’ny safidy……………………………………………………………..13 0-3 ny zava-kendrena…………………………………………………………….....14 0-4 ny lohatenin’ny asa fikarohana…………………………………………………15 0-5 petraka olana……………………………………………………………………15 0-6 petraka hevitra………………………………………………………………….15 0-7 ny fomba nanatanterahana ny asa………………………………………………15 0-8 ny haitsikera nampiasaina………………………………………………………16 0-9 ny drafitra ankapobeny sy ny fetran’ny asa…………………………………….17 FIZARANA VOALOHANY: NY MOMBAMOMBA NY MPANORATRA SY IREO HERY NAMOLAVOLA AZY HIHIRA NY FITIAVANA...............................19 I- NY MOMBAMOMBA NY MPANORATRA SY IREO HERY NAMOLAVOLA AZY HIHIRA NY FITIAVANA………………………………………………......20 1-1Ny fiainany teo anivon’ny ankohonany sy ny fianakaviany….....20 1-1-1 ny ankohonana nisy azy………………………………………………………20 1-1-2 ny fiaviany………………………………………………………………….21 1-1-3 ireo dingam-piainana nolalovany…………………………………………..21 a-ny fahazazany……………………………………………………………....21 3 b-ny fahatanorany…………………………………………………………….22 d-ny tokantranony…………………………………………………………….23 1-2 Ny fanabeazana azony teo anivon’ny fiarahamonina……......24 1-2-1- teo anivon’ny fiangonana…………………………....................25 1-2-2- ny asa aman-draharaha nosahaniny……………….....................25 . Ny asany……………………………………………………….25 . Ny andraikitra hafa efa nosahaniny ivelan’ny asa fivelomany……………………………………...26 1-3 Ny firotsahany teo amin’ny sehatry ny literatiora……………28 1-3-1 ny fitantanan’ny poeta hafa……………………………………...29 1-3-2 ny hetsika ara-java-kanto nandraisany anjara………...................31 1-1-3 ny fifaneraserany tamin’ny haino aman-jery isan-karazany…………………………………………………….33 Fehin’ny fizarana voalohany…………………………………………………………34 FIZARANA FAHAROA: IREO SEHATRA SAMIHAFA NIVETSOANY NY FITIAVANA……………………………………………...35 II-IREO SEHATRA SAMIHAFA NIVETSOANY NY FITIAVANA…………….36 2-1 Eo amin’ny olon-droa mifankatia………………………………………...36 2-1-1 ny antsoina hoe “fitiavana”…………………………………………………….36 2-1-1-1 ho an’ny mpandinika…………………………………………………...37 2-1-1-2 ho an’ny mpanoratra………………………………………………….37 2-1-2 Ny fitsiriny……………………………………………………………………37 2-1-2-1 Ireo singan-javatra mety hampitsiry ny fitiavana……………………...37 a- ny endriny ivelany………………………………………………………….38 -ny volo…………………………………………………………………….38 -ny hodi-tava……………………………………………………………….39 4 -ny maso……………………………………………………………………39 -ny molotra…………………………………………………………………39 -ny famindra………………………………………………………………..39 b-ny toetra amam-panahy……………………………………………………...40 2-1-2-2 ny fomba enti-maneho fitiavana……………………………………………40 a-fizarana teny mamy……………………………………………………….41 b-fanajana ny olon-tiana………………………………………....................42 d-fanomezan-danja ny olon-tiana manoloana ny hafa……………………...43 e-firesadresahana amin’ny toerana mangina……………………………….45 2-1-3 ny fivelaran’ny fitiavana……………………………………………………….49 2-1-3-1 ny heriny………………………………………………………………...48 a-mampitambatra sy mampifamatotra ny mpifankatia ny fitiavana…………………………………………………………...48 b-fahatsiarovana tsy hay kosehina………………………………………49 d-tsy fahatsiarovana fijaliana…………………………………………....50 e-fanaovana lainga………………………………………………………51 2-1-3-2 Ireo sedra mety ho lalovan’ny fitiavana………………………………..52 ny anjara sy lahatra……………………………………………………………….52 ny sakana avy amin’ny Ray aman-dReny…………………………......................53 ny ditran’ny lehilahy……………………………………………………………..54 2-2 Eo amin’ny sehatry ny ankohonana sy ny fianakaviana…………..58 2-2-1 ny antsoina hoe “ankohonana” sy “fianakaviana”…………………………..59 2-2-2 ny fitiavan’ny Ray aman-dReny ny zanaka………………………………...59 2-2-2-1 ny fikelezana aina hahatafita ny zanaka……………………………..59 5 2-2-2-2 ny fananaran-janaka…………………………………………………61 2-2-2-3 ny fampianarana ny zanaka hiatrika ny fiainana…………………...63 2-2-3 Ny fitiavan’ny zanaka ny Ray aman-dReny……………………………………64 2-2-3-1 ny fitiavan’ny zanaka ny Reny………………………………………….65 a-ny fanajana ny Reny…………………………………………………..65 b-ny fivavahana ho an’ny Reny nahitana masoandro…………………..67 d-ny fanoroana hevitra ny Reny………………………………………..67 2-2-3-2 ny fitiavan’ny zanaka ny Rainy……………………………………….69 a-ny fanomezan’ny zanaka torohevitra ho an’ny rainy………………..69 b-ny famelan’ny zanaka ny hadisoan’ny rainy………………………...70 2-3 Eo amin’ny sehatry ny fiarahamonina sy ny tanindrazana………..71 2-3-1 eo amin’ny sehatry ny fiarahamonina………………………………………...72 2-3-1-1 ny zava-misy hitan’ny mpanoratra eo amin’ny fiarahamonina misy azy………………………………………………………………..72 a-ny fahasahiranan’ny mpiara-belona………………………………..72 tsy fisian’ny vola………………………………………………………………...72 ny fihafiana iainan’ny mpiara-belona……………………………………………74 Ny fijaliana iainan’ny mpiara-belona…………………………………………….75 b-ny fifaminganana eo amin’ny samy mpiara-belona……………….77 ny fihatsarambelatsihy…………………………………………………...............77 mpiara-belona mifampisotasota………………………………………………….78 2-3-1-2 ny fihetsiky ny mpanoratra manoloana ny zava-misy hitany eny anivon’ny fiarahamonina………………………………………….79 a-ny fanoroana hevitra…………………………………………………79 6 b-ny fampaherezana amin’ny alalan’ny fijoroana ho vavolombelona……………………………………………………..81 d-ny fivavahana ho an’ny mpira-belona……………………………...83 2-3-2 Eo amin’ny sehatry ny tanindrazana……………………………………………84 2-3-2-1 ny antsoina hoe tanindrazana……………………………………………85 2-3-2-2 ny zava-misy hitan’ny mpanoratra eto Madagasikara………………….85 a-ny tsy fisian’ny fitiavan-tanindrazana eo amin’ny olona ho mpitondra…………………………………………………………..85 b-ny tsy fisian’ny demôkrasia eto Madagasikara……………………………………………………...88 d-ny fitiavan-tsezan’ny mpitondra………………………………………89 2-3-2-3 ireo endrika hanehoan’ny mpanoratra ny fitiavan-tanindrazana………………………………………………..89 a-miady ho an’ny tanindrazana…………………………………..............90 b-ny fanoherana ny tsindry hazo lena ataon’ny mpitondra……………...92 d-fahafoizana aina ho an’ny tanindrazana……………………………....93 e-fivavahana ho an’ny mpitondra ny firenena…………………………...94 Fehin’ny fizarana faharoa……………………………………………………………95 FIZARANA FAHATELO: NY FOMBA NANEHOAN’NY MPANORATRA NY VETSOM-PITIAVANA……………………………..96 III-NY FOMBA NANEHOAN’NY MPANORATRA NY VETSOM- PITAVANA……………………………………………………………………………97 3-1 Ny filalaovana amin’ny fomba fanoratra…………………………...97 7 3-1-1 filalaovana amin’ny mari-pijanonan-tsoratra……………………………..97 3-1-1-1 fampiasana teboka telo……………………………………………98 3-1-1-2 fampiasana baraingo……………………………………………..100
Details
-
File Typepdf
-
Upload Time-
-
Content LanguagesEnglish
-
Upload UserAnonymous/Not logged-in
-
File Pages207 Page
-
File Size-