UNIVERSITE D’ ECOLE NORMALE SUPERIEURE ------C.E.R

LETTRES MALAGASY ------

MEMOIRE POUR L’OBTENTION DE CAPEN Présenté par: HARIMBOLANJATOVONIAINA Léa Frescia Hollande

NIRHY-LANTO « ATODY NIADY AMIM-BATO »

DIRECTEUR DE MEMOIRE: Rtoa RAHARIMANGA Fidèle Maître de conférences

Date de soutenance : 16 Novembre 2006 FIZAHAN-TAKILA

0. TENY FAMPIDIRANA ...... 0.1.NY SEHATRA IROTSAHANA ...... 0.2. NY ANTON’NY SAFIDY ...... 0.3. NY ZAVA-KENDRENA ...... 0.4. IREO OLANA SY VAHAOLANA ...... 0.5. NY HAITSIKERA AMPIASAINA ...... 0.6. NY FETRAN’NY ASA ...... 0.7. NY DRAFITRY NY ASA ...... 0.8.VOTO ATIN-KEVITRA ...... FIZARANA VOALOHANY:NY ENDRIKA ISEHOAN'NY "ATODY NIADY AMIM-BATO"TEO AMIN'NY FIAINANY

TOKO 1 :I NIRHY-LANTO AMIN’NY MAHA-OLON-TSOTRA AZY ...... 1.1. NY LOHARANO NIPOIRANY : ...... 1.1.2.Avy amin’ny lafin-drainy ...... 1.1.2 Avy amin'ny lafin-dreniny………………………………………………8

1.2.IREO IRAY TAMPO AMINY ...... 1.3. IREO VANIM-POTOANA NOLALOVANY ...... 1.3.1 Ny fahazazany ...... 1.3.2. Ny fahatanorany ...... 1.3.3. Ny fiankohonany ...... 1.4. IREO FANABEAZANA AZONY ...... 1.4.1. Tao amin’ny ankohonana ...... 1.4.2. Teo amin’ny ara-pinoana ...... 1.4.3. Tany an-tsekoly ...... TOKO 2: NY ADY NATREHINY AMIN’NY MAHA-OLON-TSOTRA AZY ...... 2.1. ADY NIFANATREHANY TAMIN’NY HERY TSY HITA ...... 2.1.1. Famoizana andry niankinana ...... 2.1.2.Famoi zana sombiniaina ...... 2.2. ADY TANY AN-TSEKOLY SY TEO AMIN’NY ASA AMAN- DRA HARAHA ...... 2.2.1.Ady tany an-tsekoly ...... 2.2.2.Ny ady teo amin’ny asa aman-draharahany ...... 2.3.AD Y HO FANOHERANA NY FANAVAKAVAHANA ...... 2.3.1. Ady amin’ny fanavakavahana ara-bolon-koditra ...... 2.3.2. Ady amin’ny fanavakavahana ara-piaviana ...... 2.3.3. Ady amin’ny fanavakavahana ara-pinoana ...... 2.3.4. Ady amin’ny fanavakavahana ara- tsaranga ...... 2.3.5. Ady amin’ny fanilikilihana ny vehivavy ...... TOKO 3: ADY NATREHINY AMIN’NY MAHA-MPANAKANTO AZY ...... 3.1.AD Y HO FAMPITSIMOHANA NY TALENTANY ...... 3.2.AD Y HO FAMPIVELARANA NY TALENTANY ...... 3.2.1 Ireo sangan’asany ...... 3.2.1. Ireo sehatra namoahany ireo sangan’asany ...... 3.2.2. Ny antony isalorana solon’anarana ...... 3.3.NY ANTONY NIFIDIANANY NY HOE NIRHY-LANTO ......

FIZARANA FAHAROA : NY ENDRIKA ISEHOAN’NY“ATODY NIADY AMIM-BATO” TEO AMIN’NY SEHATRY NY LITERATIORA

TOKO 1: FAMARITANA NY SEHATRA NIROTSAHANA ...... 1.1.NY FIHEVERANA NY LITERATIORA ...... 1.2.NY POEZIA ...... 1.3. IREO LOHARANON’ NY POEZIA ...... 1.4.IREO SINGA TSY AFA-MISARAKA AMIN’NY POEZIA ...... 1.4.1.Ny poeta ...... 1.4.2.Ny mpamaky ...... 1.5 NY HERY MANOSIKA AMIN'NY FAMOKARANA NY KANTO….73 TOKO 2: ADY NATAON’I NIRHY-LANTO HO FANANDRATANA NY LITERATIORA MALAGASY ...... 2.1.NY NANDIKANY NY TENY HOE POEZIA ...... 2.2.NY HAIN-TENY ...... 2.2.1.Famar itana ny hain-teny ...... 2.2.2.Ny endrika isehoan’ny hain-teny ...... 2.2.3.Ny toetry ny hain-teny ...... 2.3.FIDIR ANA AO ANATIN’NY FIKAMBANANA ...... 2.4.FA NORATANA AMIN’NY TENY MALAGASY ...... TOKO 3 : ADIN’NY PRAOZY SY NY POEZIA ...... 3.1.FOMBA AMARITAN’I NIRHY-LANTO NY PRAOZY SY NY POEZIA AO AMIN’ITY SANGAN’ASANY ITY ...... 3.1.1.Famar itany ny atao hoe: praozy ...... 3.1.2.Famar itany ny atao hoe: poezia ...... 3.2.FIRA FITRY “NY ADIN’NY PRAOZY SY POEZIA” ...... 3.2.1. Ny endrika ivelany ...... 3.2.2.Ny endrika anatiny ...... 3.3.IREO MPANDRAY ANJARA ...... 3.4.NY FAMINTINANA NY TANTARA SY NY VONTOATIN-KEVITRA .... 3.4.1.Ny famintinana ny tantara ...... 3.4.2.Ny vontoatin-kevitra ...... 3.5.NY LAFINY MAHA-KANTO ITY ASA SORATRA ITY ......

FIZARANA FAHATELO : ENDRIKA ISEHOAN’NY “ATODY NIADY AMIM-BATO” TEO AMIN’NY FIAINAM-PIRENENA

TOKO 1: ADY NANDRITRA NY FANJANAHANTANY ...... 1.1.TSIAH Y MOMBA NY FANJANAHANTANY ...... 1.2.NY FIKAMBANANA MIAFINA PANAMA SY MDRM ...... 1.2.1.NY fikambanana miafina PANAMA ...... 1.2.2.Ny fikambanana MDRM ...... 1.3.RAH ARAHA 1947 ...... TOKO 2: ADY HO FAMPIJOROANA NY MAHA-MALAGASY ...... 2.1. NY FIAROVANA NY TENY MALAGASY ...... 2.2. FITEHIRIZANA NY TANTARAM-PIRENENA ...... 2.3. FIAROVANA NY KOLON-TSAINA ...... 2.4.FITIAV ANA NY TANINDRAZANA ...... TOKO 3: NIRHY-LANTO OLOMANGAM-PIRENENA ...... 3.1. NIRHY-LANTO TABIA SY REHAREHAM-PIRENENA ...... 3.1.1.Nirhy -Lanto tabia sy reharehan’ny firenena teo amin’ny fiainany ...... 3.1.2.Nirhy -Lanto tabia sy reharehan’ny firenena teo amin’ny Literatiora ...... 3.1.3.Nirhy-Lanto tabia sy reharehan’ny firenena teo amin’ny fiainam- pirenena ...... 3.1.4.Nirhy -Lanto tabia sy reharehan’ny firenena teo amin’ny finoana ...... 3.2. NY FIJERIN’NY FIANAKAVIANY SY NY MPAMAKY ARY NY MP ANORATRA AN’ I NIRHY-LANTO ...... 3.2.1.Ny fijerin’ny fianakaviany ...... 3.2.2.Ny fijerin’ny mpankafy an’i Nirhy-Lanto ...... 3.2.3.Ny fijerin’ny mpanoratra azy ...... 3.3. IREO HETSIKA NATAO HO FAMPAHAFANTARANA AN’I NIRHY- LANTO ...... 3.4.IREO POEZIA MIFANDRAIKA AMIN’NY LOHAHEVITRA ANY AM- PIA NARANA ...... TENY FAMARANANA ...... TENY FISAORANA

“Ankino amin’i Jehovah ny asanao dia ho lavorary izay kasainao” Ohabolana3:16

Toloranay fisaorana Andriamanitra, satria izao asa izao no tontosa dia noho ny fitahiany manana amby ampy. Koa ho azy anie ny voninahitra mandrakizay. Isaoranay manokana eto ianao Andriamatoa Filoha nanaiky ny hiara-miasa aminay na betsaka aza ny adidy aman’andraikitra sahanina “hoambinin-java- manasatra anie ianao”. Eo ianao Andriamatoa Mpitsara. Nantsoina ianao dia nanoina. Nanampy sy nanoro hevitra nanatsara izao asa izao. Koa mankasitraka eram-po tompoko. Omenay ny fankatelemana ianao Ramatoa RAHARIMANGA Fidèle izay nitsilo ny dianay. Tsy nitandro hasasarana tamin’ny fanitsiana ny asanay, ary nanaiky hohelingeleninay tamin’ny fotoana rehetra. “Ny andon’ny lanitra sy ny tsiron’ny tany anie hirotsaka aminao”. Tsy hainay ny tsy hisaotra ireo mpampianatra sy ny mpanabe rehetra ato amin’ny sekoly izay namolavola sy nanabe anay nandritra ny dimy taona. Isaoranay ny fianakavian’i Nirhy-Lanto izay vy nahitana sy angady nananana izao asa izao. Tsy hohadinoina ny fanohanan’izy ireo tamin’ny lafiny maro. Ankasitrahinay koa ireo tapaka sy namana ary ny andiany “ MATEZA” izay nifanome tanana taminay, ka nahavitana izao fikarohana izao. Farany, misaotra eram-po eran-tsaina ny fianakaviana manontolo izay lany mondron-kery tamin’ny fanohanana anay “sitraka sy telina tokoa ny vitanareo, ka ho valiana raha mahatsiaro”. 7

0. TENY FAMPIDIRANA Rehefa natomboka ny zavatra iray, dia tokony ho faranana hatrany. Ho famitana ny fianarana eto amin’ny toeram-piofanana ho mpampianatra (E.N.S.) sy ahazoana ny mari-pahaizana “Certificat d’Aptitude Pédagogique de l’Ecole Normale” (CAPEN), dia manolotra ny asa fikarohana ny mpianatra tsirairay mba hampivelarana ny tontolon’ny fanabeazana sy hanefena azy ireo ho mpikaroka.

0.1.NY SEHATRA IROTSAHANA Azo sokajina efatra ireo zana-taranja azo anaovana ny asa fikarohana dia ny Riba, ny Haiteny, ny tetika enti-mampianatra ary ny Literatiora. Ny niantefan’ny safidinay dia ny Literatiora, tsy nanao an-jorom-bala ny taranja hafa anefa izahay, na dia izany aza , satria heverinay fa mifandray sy mifameno avokoa izy ireo. Azo heverina fa ny Literatiora dia anisan’ny vavolombelon’ny tantaram- pirenena sady mamolavola ny maha-olona. Manantitra izany ilay tenin-dry Wellek sy Warren manao hoe: “Ny mpanakanto dia mpitatitra ny zava-misy ara-tantara sy ara-piarahamonina.” (1) Mbola mizara ho zana-taranja roa indray anefa ny Literatira: ao ny am-bava, ao ny an-tsoratra. Ny an-tsoratra no nirinay hohalalinina. Maro ny fikarohana azo atao amin’izany toy ny fanadihadiana ny tantaran’ny Literatiora, ny sombin-tantara, ny tantara foronina, ny teatra, ny tononkalo. Ity farany no nosafidinay. Tsinjo ho misongadina kokoa mantsy io sehatra io amin’ny fanehoan-kevitra. Araka ny filazan-dRandja ZANAMIHOATRA manao hoe: “Izay hita mampavesa-danja indrindra ny tono-kiran’ny poeta mihoatra noho ny lahateny tsotra dia noho izy mahaseho zava-maro amin’ny fomba mifintina: toa horonan-tsary ny nahiny ao an-tsaina…, toa vavahady mampanaran-garana ny ao anaty vohitra mimanda…” (2) Ary farany dia hita mihamaro sy mihatanora ireo mpanoratra eto amin’ny firenentsika. Misy amin’izy ireny no miditra ao anatin’ny fikambanan’ny mpanoratra, misy koa ireo izay mandeha manokana. Izany no nanosika anay hikaroka mikasika ny Literatiora ,satria mahatsapa izahay fa “be ny vokatra fa ny mpijinja no vitsy”

(1) (R) WELLEK et (A) WARREN, La théorie Litérraire, collection Poétique, Edition du Seuil, 1971, p358 « L’artiste est porteur de verité et nécessairement, il est aussi si porteur de verité historique » (2) (Z) RANDZA , Vain’afo tononkira, librairie Ambozontany, Fianarantsoa 1969, tak 7-8 8

Mba inona indray ary no anton’ny safidy?

0.2. NY ANTON’NY SAFIDY Lafin-javatra vitsivitsy no nisarika ny sainay hirona tamin’i Nirhy-Lanto: Voalohany indrindra, niainga tamin’ny fahitana ny lohatenin’ny boky nosoratan’ity mpanoratra ity manao hoe “Izaho atody niady amim-bato” no nanintona anay hamantatra ny maha-atody niady amim-bato azy sy ny endrika isehoan’izany. Faharoa manaraka izany, ny maha- poeta mpitolona ho an’ny Tanindrazana azy ary mahery fo, ka tokony hampahafantarina ny taranaka mifandimby mba hahatonga azy ireo hanohy ny asa efa nimasoany. Etsy andaniny dia, azo ambara fa isan’ireo poeta “ela nipetrahana amoron’ala ka mahita ny mahitsy hokapaina” izy, ary “ela nihetezana ka lava volo”. Efa hatramin’ny taona 1942 mantsy no nirotsaka tamin’ny sehatry ny fanoratana i Nirhy-Lanto ary mandraka ankehitriny dia mbola ankafizin’ ny olona maro ny asany. Voaporofo araka izany, fa mahatety vanim-potoana ary tsy lany hamamiana ny sangan’asany. Etsy ankilany, dia nitahiry ny teny Malagasy sy mirakitra ny tantaram- pirenena izay fototra maha-firenena ny firenena, izy tamin’ny alalan’ny poezia. Ankoatra izany, izy dia poeta tsy mbola nisy nanao asa fikarohana . Farany, maro ireo tombon-tsoa azo avy amin’ny fandalinana ny tononkalon’ity poeta ity, satria izy dia mpitolona ho fanatsarana hatrany ny fiainam- pirenena. Noho izany misy ny zava-kendrena amin’ny fandalinana ny asany.

0.3. NY ZAVA-KENDRENA Kendrenay amin’ity asa fikarohana ity ny fampahafantarana amin’ny mpamaky fa tsy lany olomanga akory ny firenena Malagasy. Isan’ireny ny mpanoratra izay mamelo-maso ny tenim-pireneny sy ny maha-Malagasy. Zava-dehibe amin’ny firenena ny fananana olomanga mba hahazoana manabe ireo solofo dimbin’ny ala. Araka ny filazan’i Charles RAJOELISOLO hoe: “Misy banga lehibe eo amin’ny fiainam-pirenena Malagasy, dia ny tsy fahalalan’ny vahoakany ny olomangan’ny fireneny. Koa ny firenena izay tsy manana na tsy mahalala ny maherifony. Ataony fa zero izy. Tonga tsy matoky tenany vahoaka 9 ao aminy fa miandry olona hafa hamonjy azy lalandava. Ny hany mba ataony dia mindrana ny an’ny hafa hoenti-mitaiza ny zatovo ao aminy. Ary satria tsy azy ireo “héros” ireo ambara aminy ireo dia tsy afaka hikaroka izay maha-izy azy izy. Maizina aminy ny sori-dalana tokony halehan’ny firenena”. (3) Kasainay ho fitaovana hanabeazam-boho ny sehatry ny fampianarana ka hanampiana ireo tahirin-kevitra hoentin’ny mpampianatra manatanteraka ny asa. Ankoatra izany, ho fanehoana ireo zava-misy eo amin’ny fiarahamonina araka izay itateran’ny mpanoratra azy ao anatin’ny asa sorany. Ny manao zavatra moa tsy mora, noho izany, misy ny olana nosedraina teo am-panatanterahana ny asa ka noezahina hitadiavana vahaolana.

0.4. IREO OLANA SY VAHAOLANA “Fotsim-bary tsy ilaozan’akotry”, hoy ny fitenenana. Ny asa ihany koa tsy ilaozan’olana. Maro ireo olana nosedraina teo am-panatontosana izao asa izao. Tsy ho voatanisa eto avokoa anefa ireny, fa ny sasantsasany ihany no hofintinina eto: -Nananosarotra ny fanangonana ireo gazety mirakitra ny asa soratr’i Nirhy- Lanto tany amin’ny tranomboky noho ny hamaroany: izany hoe gazety nivoaka tamin’ny taona 1942 ka hatramin’ny 2004 no tsy maintsy nokirakiraina. Nisy tamin’izy ireny anefa no efa tonta sy rovitra. Tsy nataonay hampiraviravy tanana anefa izany, fa niezaka izahay ny hanatona ny arisivam-pirenena ny trano famoahan- gazety toy ny “Tribune de .” -Teo koa ny tsy fahitana firy ireo boky tahirin-kevitra sy ny tsy fahazoana mitondra izany nody, hoenti-manohana ny asa sy mba hanatratrarana ny tanjona dia ny fidirana ho mpikambana tao amin’ny trano famakiam-boky no ala olana noraisina.

Ny asa fikarohana dia tsy mandeha ho azy, fa mila haitsikera hoenti- mitrandraka.

0.5. NY HAITSIKERA AMPIASAINA Manana safidy ny mpikaroka tsirairay amin’ny fampiasana ireo haitsikera samihafa. Miankina amin’ny zava-kendrena tiana hotratrarina anefa izany.

(3) (CH) RAJOELISOLO, “Lahateny momba an’Andriamatoa Rabary sy ny Maritiora” in Fary Mamy, kilasy famaranana,Trano printy Loterana ,Antananarivo,1974 ,tak 325 10

Ny haitsikera ara-tantaram-piainan’ny mpanoratra no nampiharinay hanatanterahana ny asa fikarohana. Haitsikera izay narahin-dry Sainte Beuve sy ry Hyppolite Taine, ary Lanson. Ireo mpahay tsikera ireo dia samy nahatsapa fa misy ifamatorana ny tantaram- piainan’ny mpanoratra sy ny asa soratra. Toy izao ny filazan-dry Weber izany: “Misy fifandraisana tokoa ny asa soratra sy ny mpanoratra” (4) Miombon-kevitra amin’izany koa ry Samuel RAJAONA, ka nilaza fa : “Ny fandalinana ny tantaram-piainan’ny mpanoratra dia hanampy ny mpamaky amin’ny famokarana ny hevi-dalina voarakitra ao” (5) Nandritra ny famelabelarana dia ny toe-javatra nitranga nandritra ny dingam- piainana nolalovan’ny mpanoratra no niaingana hanazavana ny asa sorany. Ny haitsikera tokana anefa tsy ampy fa mila haitsikera hafa hifameno, noho izany, eny an-tsefatsefany eny dia ho hitantsika ny haitsikera ara-tantara mba hampifandraisana ny zava-misy eo amin’ny fiarahamonina sy ny mpanoratra. Izy io dia haitsikera narahin-dry Brunetiere sy Febvre. Fohy ny fotoana ka tsy azo ivalamparana, noho izany voafetra ihany koa ny asa izay ataonay.

0.6. NY FETRAN’NY ASA Betsaka ireo karazana asa soratra nosoratan’izany lehilahy izany kanefa ampahany izay mahakasika ny lohateny « Nirhy-Lanto atody niady amim-bato » no nikirakiraina. Azo atao araka izany ny mandalina amin’ny sehatra hafa ny asa soratr’i Nirhy- Lanto satria vavaasa ihany izao ataonay izao. Mba hitarihan-dalana ny sain’ny mpamaky dia toy izao ny drafitry ny asa.

0.7. NY DRAFITRY NY ASA Nozarainay telo ny fikarohana: Fizarana voalohany dia nomenay ny lohateniny hoe: Endrika isehoan’ny

(4) (JP) WEBER, Génèse de l’oeuvre poétique, librairie, Gallimard, Paris 1976, p 507, “Il semble qu’il éxiste un rapport essentiel entre le thème du poéte et sa vie, son déstin » (5) (E) RAHAROLAHY, « Teny fanolorana », Erika, Imprimerie d’ouvrage éducatif, librairie mixte, Antananarivo 1976 tak15 11

“Atody niady amim-bato” teo amin’ny fiainany, izay nampahafantarana ny mombamomba an’i Nirhy-Lanto ao anatin’izany ny loharano nipoirany sy ny fiaim- piainany ary ny fanabeazana azony. Niompana tamin’ny ady natrehiny amin’ny maha-olon-tsotra azy: ny ady nifanatrehany tamin’ny hery tsy hita sy ireo zavatra tsy rariny ary tsy marina eo anivon’ny fiarahamonina no nojerena tao amin’ny toko faharoa. Ny toko fahatelo no nitanisana ireo ady natrehany amin’ny maha-mpanakanto azy, dia ny ady ho fampiroboroboana ny talentany sy ny fampivelarana izany ary ny ady amin’ny sivana sy halatahaka . Novelabelarina nandritra ny fizarana faharoa ny endrika isehoan’ny “atody niady amim-bato” teo amin’ny sehatry ny literatiora. Noezahina nofantarina aloha ny sehatra nirotsahana, avy eo nomena ny famaritana ny literatiora sy ny poezia ary ireo singa tsy afa-misaraka amin’ny poezia toy ny poeta, ny mpamaky, ny aingam-panahy, ny talenta, ny kanto. Tao amin’ny toko faharoa ny ady ho fanandratana ny literatiora Malagasy no nojerena, dia ny fiangaliany ny hain-teny, ny fidirana amin’ny fikambanana literera, ny fanoratana amin’ny teny Malagasy. Ny toko fahatelo no nahafahana naneho ny asa soratry Nirhy-Lanto mitondra ny lohateniny hoe: “adin’ny praozy sy ny poezia”, ka nohalalinina ny endrika ivelany sy ny vontoatin-kevitra ary ny maha-kanto azy. Ny fizarana fahatelo no namahavahana ny endrika isehoan’ny “atody niady amim-bato” teo amin’ny fiainam-pirenena, ka navohitra tamin’izany ny ady natrehin’ny mpanoratra nandritra ny fanjanahantany tamin’ny fitakiana ny fahaleovantena sy ny fidirana ho mpikambana tao amin’ny PANAMA sy MDRM. Manaraka izany ny ady ho fampijoroana ny maha-Malagasy dia ny fiarovana ny teny, ny fitehirizana ny tantaram-pirenena, ny fiarovana ny kolon-tsaina, ny fitiavan- tanindrazana, ary ny maha-olomangam-pirenena an’i Nirhy-Lanto no naseho. Taorian’izany dia ny fomba fijerin’ny fianakaviany, ny mpamaky, ny mpanoratra azy no novahavahana. Koa satria toeram-panofanana mpampianatra ny eto (E.N.S) dia nojerena manokana ny poezia mifandraika amin’ny fandaharam-pianarana ao amin’ny ambaratonga faharoa. Mandritra ny fanadihadiana no hamahavahana ny hoe “ Nirhy-Lanto atody niady amim-bato”. 12

0.8.VOTOATIN-KEVITRA Fanaporofoana ny “maha-atody niady amim-bato” an’i Nirhy-Lanto sy ny fikarohana ny endrika isehoan’izany teo amin’ny fiainany, sehatry ny literatiora ary ny fiainam- pirenena. FIZARANA VOALOHANY : NY ENDRIKA ISEHOAN’NY " ATODY NIADY AMIM-BATO” TEO AMIM’NY FIAINANY 14

Heverinay fa mifaningotra ny asa soratra sy ny mpanoratra mpamokatra ka tokony hosantarina amin’ny filazalazana ny momba azy sy ny fiainany ny asa fikarohana . Tsy eo amin’ny lafin’ny literatiora ihany, fa na amin’ny fiainana an- davanandro aza dia fanao ny manomboka amin’ny tantaram-piainana. Manaraka izany, manampy betsaka amin’ny fanazavana ny asa soratra ny fiaingana amin’izany. Hoy indrindra Sainte Beuve raha milaza ny fifamatoran’ny asa soratra sy ny fiainan’ny mpanoratra. “ (…)sarotra ho ahy, ny mitsara azy raha tsy fantatro ny olona, ary tsy misalasala aho milaza fa arakaraka ny hazo ny voany .”(6)

TOKO 1 :I NIRHY-LANTO AMIN’NY MAHA-OLON-TSOTRA AZY Fianakaviana maromaro no mandrafitra ny fiarahamonina, izay azo lazaina ho tompon’antoka amin’ny fanolokoloana sy fanabeazana ny taranaka mba havanona azy ireo. “Ny hazo, hono, no vanon-ko lakana, ny tany naniriany no tsara”. Araka izany, dia tsy tokony “hodinganina amin’ny tohatoha-miakatra” ireo loharano nipoirany .

1.1. NY LOHARANO NIPOIRANY : Manan-danja amin’ny Malagasy ny fahafantarana ny loharano nipoiran’ny olona iray. Azo lazaina ho antoka no sady maneho ny maha izy azy ny tsirairay eo anivon’ny fiarahamonina mantsy izany. Amin’ny fotoana fangataham-bady, ohatra, dia tsy maintsy tononina ny fianakavian’ny mpangataka sy ny an’ny mpamoaka, noho ny fanahiana “handady hazo tsy fantatra” dia aleony manontany “fototr’olona”. Manaporofo izany i Charles RAVOAJANAHARY raha manambara fa: “(…) zava-dehibe teo amin’ny Ntaolo ny mahafantatra ny Razana niaviana (…) izany hoe ny Razana no mahatonga antsika hitokian’ny olona mifanerasera amintsika na ifanaovantsika raharaha (…) ny olona tsy fantatra ny Razana nipoirany

(6) Taterin’i (A) CHASSANG et (CH) . SENNIGER, Les textes littéraires généraux , collection « H.U » , classique Hachette, 1958, P 459 « (…) il est difficile de la juger indépendamment de la connaissance de l’homme, et je dirais volontiers tel arbre, tel fruit » 15 dia mahakaodikaody ny olona ka nataony hoe mba zana-jovy“ (7) Noho izany, dia ilaina ny ahalalana ireo lafin-dRay sy lafin-dReny mba hahafahan’ny mpiara-belona mametraka ny olona iray amin’ny toerana tokony hisy azy. 1.1.1. Avy amin’ny lafin-drainy Ny fiaviany dia Avarabary-Mahitsiarivo, firaisan’Imerintsiatosika fivondronan’i Arivonimamo, ary taranaka Mamoladahy. Rainivonimahazomanana no raibeny ary Rasoarimanana no renibeny. Niteraka an-dRakotomanga Edouard, rain-dry Nirhy-Lanto izy mivady ireo. Nianatra tany amin’ny sekoly Rezionaly Ambositra sy tao amin’ny “Le Myre de Vilers” Rakotomanga Edouard. Governora tamin’ny andron’ny fanjanahantany no asany. Faritra maro no noteteziny tamin’izany, ireto avy izy ireo : Sambava, Fiadanana (Fandriana), Imerina- Imady (Ambositra), Midongy andrefana, Ambatofinandrahana, Fanjakana (Fianarantsoa) …

1.1.2.Avy amin’ny lafin-dreniny Vavimatoan-dRadafy sy Rasoanindrina, Razafindrasoa Henriette renin-dry Nirhy-Lanto. Avy any Ambohimiadana Fandravazana ry zareo. Novolavolaina tao amin’ny sekolin-jazavavy tao Ambatobevanja Antananarivo ny reniny. Mpanjaitra sy mpikarakara tokantrano no asany.

1.2.IREO IRAY TAMPO AMINY Dimy mianadahy izy ireo no iray tampo: efatra lahy ary vavy tokana. Ny mpanoratra no lahimatoa. Toy izao manaraka izao ny filaharany: Rasoanindrina Victorinne Nirhy-Lanto Rakotonindrina Charles Victor Rakotoarisoa Raymond Rakotoseheno Nomenjanahary William Jean de Dieu Rakotozanany Andrianasolo Seth Raha jerena ny anaran’izy iray tampo dia ahitana ny hoe Rakoto, izay nalaina tamin’ny ampahan’ny anaran-drainy; Rakotomanga. Ny anaran’ny vavimatoa

(7) (CH) RAVOAJANAHARY “ Ny fokonolona”, in Tselatra ,laharana 8 16

Rasoanindrina kosa indray dia azo tamin’ny anaran-drenibeny avy amin’ny reniny, Rasoanindriana. Ny fanampin’anarana entin’izy ireo dia amin’ny teny vahiny avokoa : Victorinne, Charles, Victor, Raymond, William, Jean de Dieu. Porofo izany fa niaina tao anatin’ny vanim-potoana fanjanahantany izy ireo.

SA RY 1 : Sarim-pianakavian’i Nirhy-Lanto tany Sambava 17

1.3. IREO VANIM-POTOANA NOLALOVANY Azo sokajina ho telo ireo vanim-potoana lalovan’ny olombelona : ao ny vanim-potoanan’ny fahazazana na taon-dalao, ao ny fahatanorana na fifohazana ary ny vanim-potoan’ny fahalehibeazana na fahamatorana. Mandritra izany dia maro ireo zavatra mifamahofaho eo amin’ny fiainan- janak’olombelona, misy ny mamy ary misy ny mangidy .

1.3.1 Ny fahazazany Fotoana miavaka ary sarotra adinoina tokoa ny fahazazana. Misy aza ireo mpanoratra milaza fa avy amin’ny fahatsiarovana ity vanim-potoana ity no anovozana ny aingam-panahy. Nihry-Lanto Rakotonindrina Charles Victor dia teraka tamin’ny 1 Oktobra 1923, tany Sambava, renivohitry ny faritra SAVA (Sambava, Antalaha, Vohemaro, Andapa), faritanin’Antsiranana. Isan’ireo zaza saro-piterahana izy ka nilana fampiasana irony fitaovana antsoina hoe “forceps” ny fahatongavany teto an-tany. Nokolokoloin’ireo ray aman-dreniny ara-batana sy ara-tsaina ary ara-panahy izy. Ireo no “ toko telo mahamasa-nahandro”. Izao no filazan’i Nirhy-Lanto Voahangy Vololontsihoaranarivo ny fahazazan-drainy. “Nobeazina toy ny zana-bahoaka i dada. Notaizana ho tia ny maha-Malagasy sy ny fianarana ary ny fivavahana kristiana”(8)

Toa mandalo vetivety foana ny fahazazana ka tsy ela dia migadona sahady ny fahatanorana.

1.3.2. Ny fahatanorany Ny fahatanorana no diavolana fenomanan’ny zanak’olombelona. Eo indrindra no fotoam-pivelarana ara-batana sy ara-tsaina ary ara-panahy. Hoy Ny Avana RAMANANTOANINA raha milaza ny amin’ny hatanorana:

(8) Resadresaka nifanaovanay taminy ny Talata 05 Desambra 2005 tamin’ny valo ora sy sasany maraina tao an-tranony, Itaosy. 18

“Fotoam-pivelaran’ny hatanorana Tsy misy indroa fa indray mitoraka! Ka hajahajao ary fa aza simbana! Fa raha raha tsy ’zany anie, mampangoraka !(9)

Toy ny tanora rehetra dia nanana ny nofinofiny sy ny faniriany ny mpanoratra. Fikasany lalina tao anatiny tao ny ho tonga mpitsabo. Betsaka ireo tanora Malagasy no nangetaheta hisahana ity asa ity, isan’ireny Ny Avana RAMANANTOANINA. Marihina fa nanana ny lanjany ny dokotera tamin’izany fotoana na ara- tsôsialy na ara-pôlitika. Mba hahafahany manatratra io tanjona io àry dia nilofo mafy tamin’ny fianarana i Nirhy-Lanto. Izy rahateo isan’ireo mpianatra nahira-tsaina. Ankoatra izany, nanamarika ny fahatanorany koa ny nahalalany an- dRALAIMONGO. Araka ny voalazany hoe: “Indray maraina izay , teo an-tokotaninay, alohan’ny handehanako hianatra, dia nisy lehilahy lehibe somary maintimainty, manao volombava lava mifilofilo, niresaka tamin’i dada. Teny fohy no resaka reko. Hoy ilay lehilahy lehibe: - Tsy miady amin’ny Malagasy toa ahy aho, Ragôva; tsy tambo ny vazaha mpanjanatany misetrasetra sy mampahory antsika. Nony hariva ny andro dia hoy i dada tamiko: -Iny niresaka tamiko anikeho iny, leity, no Ralaimongo Jean, lehilahy sahy sady mafy loha, tsy manaiky lembenana ary tsy mataho-maso mena eo anoloan’ny vazaha, hatramin’ izay lazaina ho ambony teo amin’ny fitondrana aza (…). Faly sy nidera azy (Ralaimongo) anakam-po aho. (…) Hoy ihany Nirhy-Lanto manohy ny fitantarany ny momba ity olomangam- pirenena ity : “Tamin’ny dianay tovolahy handeha hanao fanadinana any Fianarantsoa, dia tafara-dalana taminay tao anatin’ny “camion” nitondra vary ka niara-nitsilailay taminay na nandry ilika teny ambony lasaka Ralaimongo Jean. Fanetren-tena re ny an’ izany lehilahy tia tanindrazana izany !” (10) Azo lazaina izany fa nisy akony teo amin’ny fiainan’i Nirhy-Lanto ny fihaonany tamin-dRALAIMONGO. Nandraisany lesona betsaka izany, ary isan’ny

(9) (NA) RAMANANTOANINA “ Ny hatanorana”, Ny basivava, n° 104, 1908 (10) (NL) RAKOTONINDRINA, Izaho atody niady amim-bato, Teza boky, Antananarivo-Paris, jona 2002, tak 11 19 antony nahatonga azy ho tia sy hitolona ho an’ny Tanindrazana. Marihina fa noraisiny ho modely sy filamatra ho azy ity olomangam-pirenena ity ary noderainy mihitsy. Porofon’izany ny nanoratany lahateny mitondra ny lohateny hoe : “Famingavingana nanetry ny Mpamingavinga”, tantarainy ao àry ny fihetsiky Ralaimongo manoloana vehivavy frantsay iray, araka izao manaraka izao : “Amin’ny teny frantsay , ny “TU” dia mety adika ho: “Hianao”, na “Ise”, na “Ialahy”. Ampiasaina mandrakariva eo amin’ny mpihavana sy mpisakaiza io teny io. Koa amin’ny fifampitondran’izy ireo, dia ifampiantsoana sy ifamaliana ny “TU”. Eo amin’ny mihevi-tena ho ambony, amin’ny fifam-pitondrana, dia izy irery ihany no mahazo miantso amin’ny “TU”, saingy tsy mba azo valiana na oviana na oviana kosa “TU” kosa. Zary lasa fanambaniana ny “TU” eto ary mitovy amin’ny “itena” ny dikany. Misy tantara kely, araka izao manaraka izao, tany Fianarantsoa, teo amin’ny nifamalian’ny vehivavy frantsay mpiasan’ny paositra sy Ralaimongo: -C’est toi , Ralaimongo ? -Oui, ma chérie , hoy ny navaliny azy Nangenahena sy nivoaramena ilay vazaha-vavy. Ninian-tsy nandika tamintsika io “fifamaliana” io mba hampivaingana tsara ny fahambonian-tsain’ny mpitolona ho amin’ny fitoviana.(11) Ny fahitan’i Nirhy-Lanto an-dRALAIMONGO izany dia olona tia tanindrazana ary tsotra sy manetry tena.

(11) (NL) RAKOTONINDRINA, Vary faho, boky voalohany, Teza boky, Antananarivo-Paris, 2006; tak 221 20

S ARY 2 : Ralaimongo Mbola tao anatin’ny fahatanorana tokoa i Nirhy-Lanto raha namorona ny ankohonany.

1.3.3. Ny fiankohonany Ny fanambadiana dia fifamatoran’ny lehilahy sy vehivavy ka manaraka lamina sy fitsipika mifehy ny fiarahamonina. Izy io dia riba fitana satria, fialana amin’ny maha- mpitovo ka hidirana amin’ny maha- mpivady. Amin’ny Malagasy dia fifamatoran’ny fianakaviana roa tonta ny fanambadiana, ka ny fandrariam-pihavanana dia atao amin’ny alalan’ny vodiondry, na moletry, na diafotaka arahin-kabary. Tamin’ny 25 Septambra 1943 ary dia tapa-kevitra ny hiroso amin’ny fanambadiana i Nirhy-Lanto. Roapolo taona izy tamin’io; ka ny niantefan’ny fitiavany dia Ramatoa Rahelimanana Juliette, teraka tamin’ny 15 Jolay 1922. Zana- dRatsaraolina “Instituteur Officiel” avy any Ambohitsimeloka Ambohitrandrainy sy Razafindrazay Germaine avy ao Alasora. Tany Ankazobe, toerana voalohany nanendrena azy hiasa no nifankahitan’izy roa sy nanaovany mariazy . Marihina fa mialoha ny hamonjeny io toerana io i Nirhy-Lanto dia nilaza taminy ny reniny fa tokony hanambady izy vao mandeha lavitra satria; tsy misy havana na olom-pantatra any. Nanda anefa izy ary nanambara fa na aiza no voatendry hiasany dia any, raha sitra-pon’Andriamanitra, no toerana ahitany vady. Tanteraka izany herintaona taty aoriana, satria ny Febroary 1942 no niainga ho amin’io Vohitra 21 io izy.

Eto àry dia tsaroana ilay tononkalon’i Nirhy-Lanto nampitondrainy ny lohateny hoe : “Izay misy ny tiana”

“Ny toerana misy ny tiana No toeram-pifalifaliana; Fa feno ny soa mitotohitra Na aiza, na aiza no vohitra Itoeran’ny vady nekena, Ilay olo-malalan’ny tena”(12)

Izany hoe na lavitra havana aza izy tao Ankazobe dia nahita fifaliana satria; eo akaikin’ilay vady malalany dia ramatoa RAHELIMANANA Juliette.

0100090000037800000002001c00000000000400000003010800050000000b0 200000000050000000c02ae03b204040000002e0118001c000000fb02100007000000 0000bc02000000000102022253797374656d0003b2040000479d7381005c110004ee8 33930e713040c020000040000002d01000004000000020101001c000000fb02ceff000 0000000009001000000000440001254696d6573204e657720526f6d616e0000000000 000000000000000000000000040000002d010100050000000902000000020d000000 320a2d0000000100040000000000b004ad0320741600040000002d010000030000000 000 S ARY 3 : Mariazin’i Nirhy-Lanto Hoy ny Ntaolo: “Ny hanam-badian-kiterahana” ny zanaka rahateo lova sy harena. “Mamy noho ny tantely Ka tsy hadinoina velively Ny zanaka” VARATRAZA

Fito mianadahy ireo kolokolo dimbin’ny vary, solofo dimbin’ny ala:

(12) (NL)RAKOTONINDRINA, “ Izay misy ny tiana” Rindrambolana , Teza Boky, Avrily 1996, tak 46 22

Nirhy-Lanto Rahely Ramiliarinosy

Nirhy-Lanto Zoely Seheno Nirhy1 - Lanto V oahang 2 y Vololontsihoaraniarivo Nirhy-Lanto Solotiana Vonimpitiavana Nirhy-Lanto Andriamisandratra Rakoto Nirhy-Lanto Hery Andriamahazo Nirhy-Lanto Faraniaina Malala Nampitondrainy ny hoe “Nirhy-Lanto”, anarana nofidiny tamin’ireo vitsivitsy noforoniny, ireo zanany. Manaraka izany ny fanampin’anarana dia amin’ny teny Malagasy avokoa manamarina ny fitiavany manabe voho ny tenin-drazana izany.

TETIHARAN’NY FIANAKAVIAN’I NIRHY-LANTO

3 4 5 6 7 8

9 10 11 12 13 14 15

1: RAKOTOMANGA EDOUARD 2: RAZAFINDRASOA HENRIETTE 3: Rasoanindrina Victorine 4: NIRHY-LANTO RAKOTONINDRINA CHARLES VICTOR 5: Rahelimanana Juliette 6: Rakotoarisoa Raymond 7: Rakotoseheno Nomenjanahary William Jean de Dieu 8: Rakotozanany Andrianasolo Seth 23

9: Nirhy-Lanto Rahely Ramiliarinosy 10: Nirhy-Lanto Zoely Seheno 11: Nirhy-Lanto Voahangy Vololontsihoaraniarivo 12: Nirhy-Lanto Solontiana Vonimpitiavana 13: Nirhy-Lanto Andriamisandratra Rakoto 14: Nirhy-Lanto Hery Andriamahazo 15: Nirhy-Lanto Faraniaina Malala

FANAZAVANA NY SARY

Lahy velona Lahy maty

Vavy velona Vavy maty

Olona ifantohan’ny fanadihadihana (ego)

Fifandraisan’ny mpivady

Fifandraisan’ny mpianaka

Fifandraisan’ny mpiray tampo 24

0100090000037800000002001c00000000000400000003010800050000000b0 200000000050000000c02ae03b204040000002e0118001c000000fb02100007000000 0000bc02000000000102022253797374656d0003b2040000479d7381005c110004ee8 33930e713040c020000040000002d01000004000000020101001c000000fb02ceff000 0000000009001000000000440001254696d6573204e657720526f6d616e0000000000 000000000000000000000000040000002d010100050000000902000000020d000000 320a2d0000000100040000000000b004ad0320741600040000002d010000030000000 000

S ARY 4 : Sarin’ny zanaka aman-jafin’i Nirhy-lanto

1.4. IREO FANABEAZANA AZONY Eo anivon’ny fiarahamonina dia betsaka ireo sehatra na vondrona misahana ny fanabeazana. Ao anatin’izany ny ankohonana, ny sekoly, ny fiangonana. 25

1.4.1. Tao amin’ny ankohonana Nirhy-Lanto dia zanaka lahimatoa, noho izany dia novolavolin-dray aman- dreniny mba handray andraikitra sy hahalala zavatra momba ny fianakaviana. Matetika no mifampiresaka izy mianaka, ohatra tamin’ireny ny fampahafantarana azy fa zaza saro-piterahana izy, nambara taminy koa fa tsy nisy fikarakarana firy ny fianaran-drainy , efa nenjehin’ny mpiadidy handoa karatra izy vao nalefa hianatra. Ankoatra ny fiainam-pianakaviana dia tsy natao tompon-trano mihono izy ny amin’ny zava-misy niainan’ny firenena ary novolavolaina ara-panahy ihany koa.

1.4.2. Teo amin’ny ara-pinoana Nobeazina tamin’ny fivavahana kristianina ny mpanoratra, hatramin’ny fahakeliny. Imbetsaka izy no nandray anjara tamin’ny fanafanana ny fetin’ny Noely. Hoy izy: “tany am-piangonana isaky ny krisimasy dia anisan’ny nomena anjara betsaka aho tamin’ny poezia natao tsianjery (13). Taty aoriana moa dia nanoratra poezia mahakasika ny Noely izy dia ny hoe: “krisimasy taom-baovao” (14) ny “Noely ! Noely !” (15) ary ny “Noely sy Oram- panala” Nanoratra tononkalo betsaka mahakasika ny finoana sy fivavahana ihany koa izy. Santionany amin’ireny ity “Voninahitra ho an’Andriamanitra”, izay manolotra fiderana ho an’ny mpahary:

Voninahitra ho amin’ny Avo … eny , aoka ho an’Andriamanitra ! Fa fifaliana lehibe tsy kinasa hanam-petra, Ka Jesosy no nomena fa ny Fanjakan’ny Lanitra No voaomana ho anjara , ho an’ny olona rehetra ! (16)

(13) (NL) RAKOTONINDRINA, Izaho atody niady amim-bato, op cit, tak 12 (14) (NL) RAKOTONINDRINA, Rindrambolana ,op cit, tak 52 (15) (NL) RAKOTONINDRINA, Rindrambolana , tak 56, 57 (16) (NL) RAKOTONINDRINA, «voninahitra ho an’Andriamanitra » Rindrambolana, tak 81 26

Fony kely izy dia nahaloa-bava ny pasitora Ramaka Stefanoela hoe : “zaza ho lasa lavitra, Ragova , ity zanakao ity”(17) Raha ny fiangonany no asiana resaka dia FJKM ( Fiangonan’i Jesosy Kristy eto Madagasikara ) izy taloha, saingy noho ny fifindrafindran-toerana , noho ny maha-mpiasam-panjakana azy, dia lasa mpiangona FLM ( Fiangonana Loterana Malagasy ) izy, satria izany no nisy tany amin’ny toerana nalehany. Tamin’ny 02 Aogositra 1988 dia notokanana ho mpiandry tany amin’ny toby Ankaramalaza izy mivady. Tsy tany am-piangonana ihany no nampisongadina azy fa hatrany an-tsekoly.

1.4.3. Tany an-tsekoly Mpianatra nahay sy nanana fitadidina ary fahazotoana i Nirhy-Lanto. Tamin’ny taona 1929 no nisantarany ny garabola tao Fiadanana firaisana Sahamadio, fivondronan’i Fandriana. Nifindrafindra toeram-pianarana arakaraka ny toerana nanendrena ny rainy Nirhy-Lanto: Ny taona 1930 dia tany Imerina Imady Ambositra no nanohizany ny taona fahaefatra. Herintaona taty aoriana anefa dia nifindra tany Midongy andrefana indray ny fianakaviana ka tao no nanaovany ny kilasy fahatelo ka hatramin’ny kilasy voalohany. Ny taona 1933 ka hatramin’ny 1936 dia tao amin’ny kilasy voalohany foana izy, satria mbola 10 taona ka tsy mahazo manao fanadinana hidirana amin’ny “Ecole régionale”. Noho ny fisian’ny famerana taona tamin’izany. 1937: Afaka tamin’ny fanadinana nidirana tao amin’ny “Ecole régionale”, Tsianolondroa Fianarantsoa izy. 1939: Nahazo maripahaizana CESD (Certificat d’Etude de Second Degré). 1940: Nianatra tao amin’ny «Ecole régionale » Mantasoa, ary ny taona 1941 dia tao amin’ny «Ecole le Myre de Vilers » indray. 1942: Niroso tamin’ny sehatry ny asa izy. Niverina nianatra indray izy 18 taona taty aoriana ka ny taona1962 no nahavitany ny fianarany tao amin’ny ENAM (Ecole Nationale d’Administration de

(17) (NL) RAKOTONINDRINA, Atody niady amim-bato, tak 12 27

Madagascar). Isan’ireo indray mihira nanokatra izany voalohany izy.

Raha atao indray mijery àry ny fanabeazana azon’ny mpanoratra dia azo ambara fa nanefy azy ho olom-pirenena vanona sy mandray adidy aman’andraikitra.

Tsy natao hitoetra mandrakizay eto an-tany anefa ny zanak’olombelona fa mandalo ihany. Tsiahivina àry fa ny 3 Jona 2004 no nodimandry i Nihry- Lanto, ka nandao ity tany fandalovana ity. Rehefa nivahiny 81 taona teto an-tany.Ny nofo mangatsikany dia nalevina tao Mahitsiarivo-Avarabary firasana Imerintsiatosika, tao amin’ny fasan- drazana avy amin’ny rainy. Tahaka izao ny vetsovetsom-pon’i Tiana zanany, nanoloana izany. “Nidify ny masoandro. Nirotsaka ny aizina. Mbola tsy vonona ny nahandro.03 Jiona 2004”.(18) Tamin’ny taona 1955 izay tafiditra tamin’ny vanim-potoan-tsarotra nolalovan’ny mpanoratra no nanehoany fijeriny momba ny fiainan’ny olombelona ao anatin’ity tononkalony ity izay ialohavan’ny tenin’ny Baudelaire ity : « Ranomaso” …Les pleurs Ajoutent un charme au visage, Comme le fleuve au paysage, L’ouvrage rajeunit les fleurs. Baudelaire

● Raha vao tonga eto an-tany ny zaza dia ny tomany no amantarana ny fahavelomany

Ranomaso mikoriana Io no entina misandratra, Ito tanim-pahoriana Hovantanina. Tsy fantatra!

(18) (NL) RAKOTONINDRINA, “Atoandro faka ronono”, Vary faho, Op cit, tak 8 28

● Rehefa handao ny tany indray izy dia ny ranomason’ireo malalany no lakolosy milaza ny fahafatesan’ny olona iray:

Mbola ranomaso ihany, Eo an-tokotanim-pasana, No miraraka hatrany Mba hamoizana ny lasana. Amin’i Nirhy-Lanto ny ranomaso dia“tsikin’ny fanahy”, izany hoe mampitony ny ao anaty sy manamaivana ny alahelo: Ranomaso? Asa lahy… Inona no tena anarany? Asa loatra izay sahy Hanazimba ny firarany. Io no tsikin’ny fanahy Raha toa ka tahaka ahy(19)

Raha ny vanin-teny amin’ity poezia ity no jerena dia toy izao:

Ra-no-ma-so-mi-ko-ria-na-: 8 Io-no-en-ti-na-mi-san-ta-tra: 9 I-to-ta-nim-pa-ho-ria-na: 8 Ho-van-ta-ni-na-tsy-fa-nta-tra: 9

Vanin-teny valo sy sivy no ampiasain’i Nirhy-Lanto hoenti-maneho ny heviny.

Noresahina teo ny mombamomba an’i Nirhy-Lanto dia ny fianakaviany sy ny fanabeazana azony. Amin’ny maha-olon-tsotra azy anefa dia miatrika ady maro izy eo amin’ny fiainany

(19) (NL) RAKOTONINDRINA, “ ranomaso” Rindrambolana, op cit, tak 49 29

TOKO 2: NY ADY NATREHINY AMIN’NY MAHA-OLON-TSOTRA AZY

Ifangaroan-javatra betsaka ny fiainana an-tany, ao ny tsara ao ny ratsy araka ny fitenenana hoe “tantely amam-bahona”. Amin’ny fotoana mampanjombona ny fiainana dia mitotototo ery ny olombelona mba hampandeha izany. Tsapa araka izany fa ady ny fiainana. Io ady io dia mety hifanatrehana amin’ny hery tsy hita maso na ny hita, toy ny zava-misy any an-tsekoly, ny asa aman- draharaha, ny fanavakavahana.

2.1. ADY NIFANATREHANY TAMIN’NY HERY TSY HITA Hoy Ny Avana Ramanantoanina ao amin’ny tononkalony mitondra ny lohateny hoe “Hataka”, raha tojo ny mangidy teo amin’ny fiainany izy: “Omeo anay, ry fasana, ny fitsimbinanao, mba tsy halaky lasana ireto aina vao.

Omeo anay, ry fianana, ny mamy aminao, ny ora itarainana tapero sy ravao.”(20)

Misy hery izay tsy ananan’ny olombelona safidy na fahefana fa ny azony atao dia ny manoa sy mangataka fitahiana aminy. Manamafy izany i R. P. Antoine RAHAJARIZAFY: “Inoan’ ny Malagasy fa lahatr’Andriamanitra ny mampisy azy, mitondra azy, sy miantso azy any am-parany” (…) “ Lahatra avy amin-janahary ny fanambinana na ny fahasoavana eo amin’ny fiainany manontolo”(21) Izany hoe fandaharan-janahary avokoa ny toe-javatra miseho eo amin’ny zanak’olombelona na tsara na ratsy.

(20) (NA) RAMANANTOANINA, « hataka » Lakolosy volamena lah 221, 1911 (21) (A) RAHAJARIZAFY, Filozofia Malagasy, librairie Ambozontany, Fianarantsoa 1970, tak 85-86 30

2.1.1. Famoizana andry niankinana Ny volana Janoary 1939 dia lasa tany amin’ny varo-tsy mifody ny rain’ny mpanoratra izay andry niankinany, kanefa ny zandriny faralahy mbola ninono, ary izy vao 16 ranon’orana, na teo anefa izany dia tsy nataony hampiraviravin-tanana. Amin’ny maha lahimatoa azy dia manana adidy handimby ray tsy satry sy hamelo- maso ny anaran-drainy izy. Nanoloana ny toe-javatra nolalovany io dia nanantena fandresena hatrany izy, azo itarafana izany ity tononkalony hoe “Ry ampitso”.

Ry ampitso mbola! Soa nisy anao andrasana, Ka matsora tsy mahery Ny kapoakanao ry lasana; Fa ny saina kivy androany, Mbola manantena ihany! Koa na teo aza ireo olana nianjady taminy dia mino izy fa hivoaka ho mpandresy indray andro any. Manantena fa hisava Izany londolondon-drahona; Manantena lalandava, Fa ny ngeroky ny vahona Mifanindry, mifanesy! Rahampitso dia ho resy.(22)

1955

Mba hahafahan’ny mpanoratra maningotra ny saina amam-pihetseham-pon’ny mpamaky dia nampiasa sarin-teny manan-danja, manan-kasina, manana ny toerany lehibe izy, dia ny fanovana endri-javatra “metaphore”.(23) Ohatra eo amin’ny andininy voalohany:

(22) (NL) RAKOTONINDRINA, “Ny ampitso” Rindrambolana, tak 45 (23) (S) RAJAONA, Ny zava-kanto vita amin’ny teny, édition Ambozontany, Antananarivo 1993, tak 74 31

“Ka matsatso tsy mahery Ny kapoakanao ry lasana;” Izany hoe omena endrika zava-pisotro, tsapan’ny lela ny fiainana. Asehony àry fa matsatso ka tsy ankafiziny ireo lasany. Amin’ny andininy faharoa dia mbola hamafisiny ihany ny fomba ilazany ny fiainana. “ngeroky ny vahona” Araka izany, dia mangidy tsy zaka atelina, fa mampihivingivina, ka tsy laitra iainana sy tsy ahitam-pahafinaretana ny fiainany.Hoy i Nirhy-Lanto raha nitantara azy io. “ Miaka-midina toy ny lelan-tsofa ny tsimbalivaly nahery setra teo amin’ny fiainanay tao anatin’ny folo taona izay [1947-1957]” (24)

2.1.2.Famoizana sombiniaina Tamin’ny taona 1949, iray volana alohan’ny hivoahany ny tranomaizina dia nahazo fampandrenesana ny mpanoratra fa nopaohin’ny fahafatesana ny zanany lahimatoa izay mbola kely. Nangidy taminy tokoa izany satria; na ny nahaterahan’io zaza io, na ny nahafatesany dia tsy hitany satria bevohoka tokony ho telo volana ny vadiny tamin’ny fotoana nisamborana azy noho ny raharaha 1947. Tahaka izao no fipololotry ny fony izay noraketiny tamin’ny alalan’ny tononkalo.

Tsaroako indray… Août 1947-Mai 1949

Nandalo! Dia teo fa nandalo Toa tolotra ihany nindramiko…

(24) (NL) RAKOTONINDRINA, Izaho atody niady amim-bato, tak 73 32

Ho marik’izao tsiahy izao, Tsy dia voninkazo no mamiko.

Manaiky ny foko fa resy. Ny resy dia mongon’ny toraka Impolo…injato… misesy Na zovy na firy hangoraka! Nahatsiaro ho niharan’ny enji-dresin’ny fiainana eto ny mpanoratra ka tsy afa- manoatra. Ekeko nandresy ny tany Ka vitany koa ny lahasany Nafoiko ny zanako! hany

Hateriko sisa eny ampasany Dia ireo kilalao sasantsasany Tavela ka hitako ihany…(25)

Antanimora, Mai 1949 Taratra amin’ity tonkalo ity ny fankatoavany ny fandaharana.Mba ho fanehoany ny fihatseham-pony mibosesika sy tsy hay tohaina àry dia nampiasa teboka telo sy tsoraka ny mpanoratra. “Anadiplose” indray kosa ny sarin-teny nampiasainy, tamberim-boan-teny nifanesy ary tsy miova hevitra ilay teny miverina (26) natao mba handokoana ny fihetseham-po sy eritreritra miloatra avy ao anaty, toy ny fahatsiarovana tsy mety maty.

Ao amin’ny andininy faharoa no iangaliany io sarin-teny io: “Manaiky ny foko fa resy. Ny resy dia mongon’ny toraka”

Tamin’ny ady nifanatrehany tamin’ny hery tsy hita dia ny fanantenana sy ny

(25) (NL) RAKOTONINDRINA, “Tsaroako indray” Rindrambolana, tak 37 (26) (S) RAJAONA, Ny zava-kanto vita amin’ny teny, op cit, tak 29 33 fiononana nanoloana ny fandaharan’ny Avo no fitaovana nampiasain’i Nirhy-Lanto handresena ny hakiviana.Hoy izy: “soa ihany fa ny filozofia malagasy izay mampino antsika ny fisian’ny fandaharana hanovozana hery sy fiononana.” (27) Marihina fa manana ny fomba fijeriny momba ny fahafatesana izy araka ny ahitana azy amin’ny tononkalo “Ny fasana”.

● Mandavo ny nofo, izay malemy ny fahafatesana, ary miteraka ratra am-pon’ireo ilaozany.Tsy midika ho faharesena anefa izy io, fa efa fomban’ny tany:

Ny fasana akory tsy fasan’olona Manindry ny potraka taman-tolona, Dia fasan’ny nofo malemy ihany, Manaiky ny sata sy zon’ny tany.

Ny fasana ihany no hany zavatra Mandona ny hery ho sakodiavatra, Ka nony mamono sy mahafaty, Dia zary mandaroka ny ao anaty.

● Fitsaharana ho an’ireo izay iharam-pijaliana amin’ny fiainana an- tany ny fahafatesana izany hoe fiadanana.

Ny ory, nijaly torovandrovana, Rehefa ao ampasan’ny fahalovana, Vao sendra alokaloka hitoniana, Fa tsy azon’ ireo mpampahory asiana.

(27) (NL) RAKOTONINDRINA , Izaho atody niady amim-bato, op cit, tak 55 34

● Mandrava ny fanantenana sy ny fikasana ary mampivahotsana ny velona ny fahafatesana.

Fa firy ny ampitso natao handrasana No maty ankaranany ho an’ny fasana, Ka sento, toloko, tsy hita isa No an’ny forohana hany sisa!

Ny fasana indrisy, tsy nety nianina, Ho fasan’ny tiana, ny tia sy manina, Fa fasan’ny fanantena-nikoro, Sy fasam-pitiavana torotoro.

● Tsy manavaka ny fahafatesana fa mampitovy saranga sy sokajy ny olombelona rehetra.

Ny fasana anefa no mampiravina, Manjioga ny reraky ny avonavona, Fitsipi-tsy miangatra tsy azon-jovy Omen-kolikoly tsy hampitovy…(28)

Tamin’ny fotoan’ny namoizan’i Nirhy-Lanto ireo malalany, dia tsy namoy fo izy fa niezaka hatrany ny hitraka sy hiatrika ireo zava-misy teo anivon’ny fiarahamonina, dia ny fianarana sy ny asa aman-draharaha.

2.2. ADY TANY AN-TSEKOLY SY TEO AMIN’NY ASA AMAN- DRAHARAHA

Sehatra iray manampy ny olona hiditra eo anivon’ny fiarahamonina sy ny asa aman-draharaha ny sekoly. 2.2.1.Ady tany an-tsekoly

(28) (NL) RAKOTONINDRINA,”Ny fasana” Rindrambolana, op cit, tak 39 35

Mila fandavan-tena sy faharetana ny famitana ny fianarana . Ady maro no atrehina amin’izany, dia ny ady amin’ny zavatra ivelan’ ny tena sy ny ady amin’ny tena . Endrika iray isehoan’ny ady any an-tsekoly io ny fisian’ny fifaninanana hisondrotana kilasy ka izay tafakatra no mandresy, fa izay mamerin- taona no resy. Tamin’ny fotoana nianaran’i Nirhy-Lanto, ohatra, dia nisy ny fifaninanana hidirana amin’ny sekoly “régionale”, teo ihany koa ny fifaninanana hidirana ho mpiofana ho mpitsabo. Ny taona 1937 dia tafita tamin’ny fifaninanana nidirana tao amin’ny “Ecole Régionale”Tsianolondroa Fianarantsoa ny mpanoratra . Matetika izy no nitana ny laharana voalohany, noho izany nahazo niofana ho mpitsabo araka ny faniriany saingy tsy afaka nanoatra izy, satria nodimandry ny ray izay mpanohana azy. Hoy indrindra izy: “Taona [1939] nangidy tamiko fa nampiova tanteraka ny fikasako sy ny fanantenako rehetra ! veloma ry fianarana ho dokotera… lasa nofinofy fotsiny ihany!” (29) Na teo anefa izany dia nitozo hatrany izy hamita ny fianarany ka ny taona 1941, no nivoaka tao amin’ny sekoly “le Myre de vilers” .

Indro ary ampahan’ilay tononkalony hoe “le Myre de vilers” izay anoritsoritany ny momba ity sekoly ity : “Trano vitsivitsy foana , iva toeran , madera, Tsara orina vaventy, ao ny sasany sokera Tsara bika fa mahay ilay mpanao ny toro marika , Meva toy ny tovovavy izay misam-dambasarika!” (30)

Ho fanehoany ny hakanton’ity toerana ity dia ny “anaphore”, sarin-teny tamberin-boan-teny an-dohan’andalana no ampiasainy.(31)

(29) (NL) RAKOTONINDRINA, Izaho atody niady amim-bato, tak 17 (30) (NL) RAKOTONINDRINA, Le Myre de viler” Rindrambolana, op cit, tak 12 (31) (S)RAJAONA, Ny zava-kanto vita amin’ny teny, tak 31 36

Mba hahafahany manantitrantitra hevitra no antony iangaliany izany . Ny faingo indray kosa no mari-pihatoana anehoany ny fitanisana ny mombamomba ilay sekoly. Ankoatra izany, hatramin’ny fotoana naha-mpianatra ny mpanoratra no nikelezany aina fatratra ny amin’ny hiraisan’ny Malagasy. Porofon’izany ny namoahany ity ampahan’ny tononkalo manaraka ity tao amin’ny gazety “Malagasy”, sora-tanana izay naely tamin’ny mpianatra rehetra tao amin’ny sekoly “Le Myre de Vilers.” Na ny mainty na ny fotsy ary ny efa fotsy volo Iray dia iray ny firenena, ka dia tenako daholo; Malagasy iray ihany, ka ny mamiko no maminy, Fa izay tena avo indrindra dia ny ra iraisako aminy.

Ady goavana tokoa ny hampiray sy hampivondrona ny Malagasy izay nozarazarain’ny mpanjanaka, saingy tsy nataony naha-kivy azy izany, fa noraisiny ho adidiny.

2.2.2.Ny ady teo Amin’ny asa aman-draharahany Ny asa aman-draharaha dia karazan’asam-pivelomana ataon’ny zanak’olombelona. Amin’ny ankapobeny, ny mpiasam-panjakana dia mifindrafindra toerana. Isan’ireo niharan’izany i Nirhy-Lanto. Teny am-panefana ny adidiny aman’andraikiny teny dia betsaka ireo toe- javatra nitolomany sy notoheriny toy ny fanitsakitsahana ny marina sy ny rariny.

Hita taratra teo amin’ny fiainany sy ny asa sorany izany. Ohatra ity tononkalony ao amin’ny “Tsy mba maty” ity. Aminy ny olo-marina dia azo antoka ka tsy miovaova na aiza na aiza toerana misy azy, tsy azo tambazana ihany koa anefa izy ireo araka ilay fitenenana hoe”Tano ny marina fa aza amidy vola”:

Hoy ny tenin’ny Razana, Efa dify fa tazana: 37

Ny olon-tsara fitoky Mankahala soloky; Tsy mba voara ny lelany Ka ho mandina ivelany; Tsy resen-kolikoly, Fefy aron’ny voly…

Ny olo-marina hoy ihany izy dia mamy hoditra amin’ny mpiara-belona noho ny fahaizan’izy ireny miara-monina.Ampitahainy amin’ny zava-maniry mamony mahafinaritra toy ny sahondra sy ny tatamo izy ireo. Amin’izay dia hotsapan’ny mpamaky ny maha-zava-dehibe ny fiainana am-pahamarinana:

Fa sahondran’Ankaratra, Rentim-bato miraratra, Sy tatamo mamony, Haingo ravaky ny ony! Tian’ny tany ama-monina Manjopika halonina, Na dia maty izy ireny Maty mbola miteny. (32) Ny fanovana endri-javatra “metaphore” no sarin-teny nampiasainy mba hampivohitra ny tiany hambara. Tsy teo amin’ny asa sorany ihany no nahitana io fandalana ny fahamarinana io fa teo amin’ny fiainany sy ny asa aman-draharahany ihany koa.

(32) (NL) RAKOTONINDRINA, “Tsy mba maty” Rindrambolana, tak 44 38

Ny literatiora mantsy dia fiainana, manamafy izany Randzavola amin’ny filazana fa ny fiainan’olombelona toy ny “fironan’ny tenany, ny fihetseham-pony sy ny sainy”(33), satria ireny dia efa ao anatin’ny zava-misy. Andeha horesahintsika ireo asa nosahaniny: -Ny volana Janoary 1942 no voatendry hiasa voalohany tany Ankazobe i Nirhy-Lanto, tamin’izany fotoana izany, ny fijerin’ny vazaha ny mpiasa malagasy dia olona tsy havanana amin’ny asany, sady tsy azo itokisana. Nanohina an’i Nirhy-Lanto izany ka nezahiny hotoherina tamin’ny fomba fiasa feno hakingana sy fahamarinana. Toy izao ny fitantarany azy: “Tsy misy cadres mahay, hono, amin’ny Malagasy ary tsy misy firy koa no azo antoka amin’ny fahamarinana! Nanindrona ny foko mandraka androany izany teny fanaratsiana naverimberina izany, ka tao amin’ny asa nataoko tao amin’ny Agence Spéciale dia niezahako hahay hatramin’ny antsipirihany izay rehetra nankinina tamiko ary notandremako fatratra mba tsy hisy na dia varifitoventy aza mety hifandiso tsy nahy amin’ny fandraisana, na famoaham-bola” (34)

-1947: Voatendry hiasa tany Tsiroanomandidy izy, saingy vao tsy nisy tapa- bolana akory no nahatongavany tao dia nosamborina noho ny raharaha 1947. -1950-1955: Tany am-panefana ny sesitany tany Ambositra dia varo-mandeha sy asa fitaterana no namelomany ny ankohonany. Na niasa tena aza izy, dia mbola nitohy ihany ny ady ataony amin’ny tsy fahamarinana sy ny tsy rariny. Tranga iray ahitana izany ity nifanatrehany tamin’ny pôlisy ity: “Indray andro, raha teo Ivato, tanana lalovana avy atsimo hiditra an’Ambositra dia nilazan’ny zandary izy sy ireo mpiara-mivarotra taminy fa raha handry ao Ambositra dia tsy mahazo mivoaka intsony noho ny fisian’ny areti- mifindra tao amin’ny sekoly iray. Nanaja tanteraka izany izy sy ireo namany, saingy noedrikendrihin’ny olona ho nitsipaka io fandaminana ka nentina tany amin’ny biraon’ny pôlisy. Tsy nanaiky lembenana anefa izy, fa niezaka ny hanazava sy hitolona, hoy izy: “Notsipahiko ny filazana rehetra nataony ary nambarako fa afaka manamarina izay nolazaiko, manana porofo aho, hoy aho, raha anontaniana ny mpanao hotely nandriako tao Ivato, ka alaina am-bavany koa ireo mpivarotra

(33) (H) RANDZAVOLA, Mpanolo-tsaina, lah 176, Aprily-Jona 1946, tak 7 (34) (NL) RAKOTONINDRINA, Izaho atody niady amim-bato, tak28 39 rehetra niara-dia tamiko. Takiko koa ny fifanatrehana (confrontation) amin’ilay mpandainga nanao tati-bolana nampiditra anao amin’ny fanaovana tsy rariny toy izao. Hangataka onitra aho amin’ ity fisamborana ahy ity.(35) Hita eto ny ady nataon’i Nirhy-Lanto mba hampanjaka ny marina sy ny rariny izay imasoany tokoa. Mbola manamafy izany ny zanany izay nilaza fa “ Izy (Nirhy-Lanto) dia tia olona tsotra sy marina” (36)

-1955: Nisahana ny asa fanaovan-gazety -1956: Tafaverina ho mpiasam-panjakana indray i Nirhy-Lanto ary voatendry ho lehiben’ny kantao tany Ambodimadiro-Antsohihy. Ho fitsimbinany ny vahoaka tao dia nekeny ny handoavana tsikelikely ny hetra ary isaky ny manefa izany izy ireo dia tolorany rosia hatrany. -1958: Lehiben’ny kantao tany Sahatavy distrikan’ny Vavatenina. Nasehony tamin’ny alalan’ny fitsipahana fampiasana tsy ara-drariny ankizilahy, ho fanirakiraka tao amin’ny biraon’ny kantao ny fahamarinany. Taorian’io dia tao amin’ny sampan-draharahan’ny faritany miadidy ny vola no nanendrena azy. Tamin’ny fotoana nisehoany tamin’ny Administratera Beranga, lehiben’ny sampan-draharaha io, hilaza ny fahatongavany dia nahazo hafatrafatra toy izao izy: “Mampitandrina anao aho, hoy izy nivindavinda, fa M.D.R.M. mpikomy sy anti-français hianao, kanefa naverina hiasa ihany. Koa tandremo, aoka tsy hanampoizina ny finances eto ambany fiadidiako hianao! Averiko ihany, hoy ny famaranan-teny: mitandrema tsara hianao” (37) Endriky ny ady nifanandrinany tamin’ny “lehiben’ny vola” io. Hoy i Nirhy- Lanto raha milaza ny herin’ny vola izy ao amin’ilay tononkalo hoe “vola” izay ambarany fa, izy ity dia miteraka fisarasarahana sy fanavakavahana ary fifankahalana eo amin’ny mpiara-belona.

Indrisy ry vola, mizanam-piangarana, Mibaiko, mandidy, manao fandaharana,

(35) (NL) RAKOTONINDRINA, Izaho atody niady amim-bato, tak 60 (36) Resadresaka nifanaovanay tamin’i Voahangy zanany vavy, ny 05 Desambra 2005, tamin’ny 8 ora sasany (37) (NL) RAKOTONINDRINA,”vola”Izaho atody niady amim-bato, tak 88 40

Mitondra ny ambony ho avo hatrany, Manetry ny iva mba hidina ambany! Ny peniko androany tsy maintsy voateboka, Ho be rediredy, ho haron-tabebaka Ho maro ny maso tsy maintsy hanjola, Ity penina ory miampanga ny vola.(38)

-1960: Lehiben’ny kantao tany Fenoarivobe-Miarinarivo, kanefa noho ny tsy fahasalamany dia nafindra tao Manazary Miarinarivo izy. -1963: Voatendry ho “Sous-Préfet” tany Ambatondrazaka rehefa nahavita fianarana roa taona tao amin’ny ENAM. Nadritra ny niasany tany dia ny ady tamin’ireo “zaza navelan’ny mpanjanatany” no nimasoan’i Nirhy-Lanto. Araka izao anambarany azy izao: “Nomeko ny sakaizako, mpanao gazety AKFM tany Antananarivo, ny antsipirian’ ny raharaham-pifidianana aty an-toerana. Nahitsiko ny hodi-janak’omby ka nampihanjahanjaiko hitanjaka an-karihary ny fahavalom-pirenena misandoka ho tia tanindrazana. An-jatony tamin’izany gazety izany no naely hovakiana eran’ny tanana. Nihanahazo hery sy naharitra ny vahoaka. Vita ny fifidianana. Nitraka sy nandresy ny liam-pivoarana.” (39) -1969: Voatendry ho Sous-Préfet tany Fenoarivo-Atsinanana izy. Niezahany ny hisian’ny mangarahara sy fahamarinana amin’ny fitantanana ara-bola, ka ny fokonolona ihany no nasainy nandray an-tanana ny fikarakarana ireo vola voaangona hanamboarana sekoly. -1972-1975: Talen’ny fitondram-bahoaka tao amin’ny Ministeran’ny Atitany, niaraka tamin’i Kolonely Richard RATSIMANDRAVA. Nandray anjara indroa na intelo isan-kerinandro tamin’ny fanazavana momba ny fokonolona tao amin’ny Radio Madagasikara, tamin’ilay fandaharana hoe: “Ala olana” -1978: Nandamina ny olan’ny orin’asa COTONA izy, ka niandraikitra ny fitarihana ny fivoriana tamin’ny solon-tenan’ny mpiasa tamin’ny fananganana fikambanan’ny mpiasa. Ny volana Oktobra tamin’io taona io no nisotro ronono izy. Marihina fa nandritra ny fotoana niasany dia nitsimbina ireo sahirana ara-

(38) (NL) RAKOTONINDRINA, Rindrambolana, tak 28 (39) (NL) RAKOTONINDRINA, Izaho atody niady amim-bato, tak 99-100 41 pivelomana izy tamin’ny alalan’ny fanampiana ara-bola, fanomezana fanafody, fikarakarana ny fianarana, fanamaivanana ny fandoavana hetra… Hoy i Nirhy-Lanto ao amin’ny asa sorany hoe “Miangatra ny tany”izay anaovany antso avo amin’ny mpamaky, ny amin’ny tokony hitsinjovana sy hanampiana ireo mahantra sy sahirana .

Mba tazano ireo madinika Trotraky ny asa mafy Raha toa hianao handinika Ireny ve no tena mihafy ?

Saingy ny eny ambanivohitra, Dia nandova an’ io daholo; Ka tsy afaka nanohitra Mba hivoatra hiova vola (40) Mba hahafahana mambabo ny fo amam-panahin’ny mpandray ny hafatra dia ny rima mifaningotra no nampiasainy.

Raha aravona ireo ady nataon’i Nirhy-Lanto teo amin’ny sehatry ny asa dia ny hampanjakana ny marina sy ny rariny. Tsapa fa ady sarotra tokoa izany ary azo oharina amin’ny vato, satria araka ny oha-pitenenana hoe: “Ny marina saro- tadidiavina” sy ny hoe: “Ny marina toy ny trondro vaventy, tsy hita raha tsy amin’ny rano lalina”. Tsangan-kevitra nenti-nandamina ny fiarahamonina ny marina sy rariny.Misy ifandrohizana izy ireo araka ny voalazan’i Charles RANAIVO: “Tsy afaka hanao ny rariny isika raha tsy mahafantatra ny marina. Ny marina anefa dia efa saro-tadiavina. Ary na fantatra aza izany, dia mbola mety tsy ho tanteraka ihany ny rariny tonga lafatra”.(41)

Sarotra anefa ny hampanjaka ny marina sy rariny raha mbola manjaka ny toe- tsaina tia mavakavaka, ka dia notoheriny izany.

(40) (NL)RAKOTONINDRINA “miangatra ny tany”Rindrambolana, tak50 (41) (C) RANAIVO“Fahalalana sy rariny”, Ny fiainana, laharana 94, 1936 42

2.3.ADY HO FANOHERANA NY FANAVAKAVAHANA Ny hahazoana tanteraka an’i Madagasikara no tanjon’ny Frantsay noho izany dia tsy maintsy nataony izay handraisan’ny Malagasy tanteraka ny sivilizasionany (Fomba itondrana ny tena, fomba ifandraisana amin’ny manodidina na hita maso na tsia, fomba famolahana ny zavaboaary, fomba amam-panao) mba hahafahany manatanteraka izany dia tsy maintsy nopotehina izay sivilizasiona nisy novantaniny teto : dia ny fomba amam-panao malagasy sy ny fivavahana kristianina. Hoentiny manapotika izany dia nampidiriny ny lalan-tsaina mitsipaka ny finoana toy ny: “Liberté de pensée” izay endriky ny fivelaran’ny olombelona amin’ny lafiny rehetra na ara-batana na ara-tsaina na ara-panahy. Teo ihany koa ny pôlitikan’ny “ny zarazarao hanjakana”. Vokany dia nisy ny fanavakavahana ara-bolon-koditra, ara-pihaviana, ara- pinoana, ara-tsaranga ary ny fanilikilihana ny vehivavy. 2.3.1. Ady amin’ny fanavakavahana ara-bolon-koditra Betsaka ireo mbola mametraka olana eo amin’ny volon-koditra ka mahatonga azy hanavakavaka sy tsy hiray hina. Io toe-tsaina io no tian’ny mpanoratra hahitsy amin’ny alalan’ ampahan-tonokalo izay ampiasany sarin-teny “polyptote”: tamberin- poto-teny iray miverina, na miova endrika na tsy miova endrika, ao anaty fehezan- teny tokana.

“Na ny mainty na ny fotsy ary ny efa fotsy volo Iray dia iray ny firenena, ka dia tenako daholo; Malagasy iray ihany ka ny mamiko no maminy, Fa izay tena avo indrindra dia ny ra iraisako aminy.” (42)

Aharihariny fa ny Malagasy dia iray ihany, na dia misy aza ny fahasamihafana eo amin’ ny volon-koditra. Tsaroana eto ilay tononkalon’i RADO hoe : “Mainty aho”(43) izay manasohaso ny loko mainty. Ankoatra ny fanoherany ny fanavakavahana ara-bolon-koditra dia tsy

(42) (NL), RAKOTONINDRINA, “Madagasikara”, Takariva, laharana 451, 06 Aogositra 1942, (43) RADO (pseud); Dinitra, Imprimerie New Print, Nouvel Immeuble ATELEMEC, Ankorondrano Antananarivo, 2001, takila 108 43 ankasitrahiny koa ny tsy fitovian’ny tombon-tsoa omena ny faritra tsirairay .

2.3.2. Ady amin’ny fanavakavahana ara-piaviana Niezaka ny mpanjanaka mba hampizarazara ny an-drenivohitra sy ny ambanivohitra. Tsy ankasitrahan’i Nirhy-Lanto anefa izany fanavakavahana izany ka dia toheriny ny fitondra mitanila eo amin’ny samy Malagasy. Asehony izany amin’ny alalan’ny asa sorany hoe: “Miantso anao ny penina” Malagasy namako o! miantso anao anio ny penina, Izay nirodana omaly no hajoro sy harenina… Nisy fifaliana teto izay navalon’ny andro lasana, Fifaliana dify ela, tian-kipody sy andrasana: Tsapa teny an-tsaha teny, tsapa teny ny hamaminy, Na tsy haiko ankehitriny izany haminavina ny aminy. Samy niasa ho an’ny tena, tsy mba nisy terivozona; Ka tsy mpiasa na mpanompo toa taranaka voaozona. Tsy mba nisy tany Androy nentina nifindra monina Ka i Boina ho feno soa ny any kosa holevonina! Nisy fifaliana teto ka ny teny ambanivohitra Tsy mba haolo fa tanana heni-tsoa izay mitotohitra (…) Malagasy namako o! miantso anao ny penina, Izay narodana omaly ndeha hajoro sy harenina! (44)

Ho fanentanany ny Malagasy tsy hifanavakavaka sy hofanairana ny masom- panahin’ izy ireo, dia nampitovitoviany fehezan-teny eny am-param-pamelabelaran- javatra sy ny fehezan-teny nentina nanomboka azy.

Tsy ny fanavakavahana ara-piaviana ihany no tsy nankasitrahan’i Nirhy- Lanto fa ny fanavakavahana ara-pinoana ihany koa.

2.3.3. Ady amin’ny fanavakavahana ara-pinoana Tany aloha dia nahitana adiady madinidinika teo amin’ny katôlika sy ny

(44) (NL) RAKOTONINDRINA, Rindrambolana, tak 16 44 protestanta izay niteraka fahasorenana ho an’i Jeneraly Galliéni ka nahatonga azy hanohitra ny fiangonana tamin’ny alalan’ny fampijoroana ny laika( fanandratana ny toe-tsaina siantifika, fitsipahana ny misiona.) Tian’ny mpanoratra harodana io efitrefitra io, koa nahasinkasiny tamin’ilay tononkalony hoe “Tokana no mampiray”, izay nahazoany loka voalohany tamin’ny fankalazana ny fahafolo taonan’ny F.F.K.M., fa tokony hiray ny kristianina, satria iray ny Tompo izay arahina: Moa voazarazara va ilay Jesosin’ny Fanavotana Ka ny teny namboleny no kendrena mba hongotana? Iray ny vonjy, Iray ny Tompo sady Loharanon’aina, Ary isika na dia maro…Iray no hany antenaina.

Manafoana ny fahasamihafana amin’ny lafiny maro ny fivavahana, satria iray no mpitarika sy mpanorina dia Jesoa.

Na ny saina tsy mitovy, na ny fomba tsy iarahana Dia miravona avokoa manoloana fivavahana: Tokana no mampiray dia Jesoa Mpiandry tsara, Hany Mpiandry azo toky ho an’ i Madagasikara (46) Mbola anteriny ao amin’ilay tononkalony izay mankasitraka ny fisian’ny FFKM, ny maha-fiombonana ny fivavahana kristianina “Folo taonan’ny FFKM” Fa nijoro ny Fiombonana, Orina tsy firavonana: Lany era hifankatia, Olo-mpino hiara-dia!

Teny mamy no nandraisana, Asa iray ho fampiraisana; Olon-tsy mitovy saina, Nefa Iray no Andrandraina, Ary Inoana sy Antenaina!

(46) (NL), RAKOTONINDRINA, Rindrambolana, tak 71 45

Fa Fanahin’Andriamanitra, Fahendrena omen’ny Lanitra: Ka mandà ny fitokoana, Mampiray ny iray finoana! (47)

Hofanehoany ny fankasitrahana ny firaisana noho ny fijoroan’ny F.F.K.M. dia nasongadiny ny hoe: “Folo taona FFKM” ary narafiny ho fiandohan’ny andalana. Araka izany na ny endrika ivelany na ny vontoatiny ity tononkalo ity dia mirindra ka mahatonga azy ho kanto. Raha miharihary tahaka izany ny ady ara-pinoana dia tsy nataony ambanin- javatra ny ady amin’ny fanavakavahana ara-tsaranga.

2.3.4. Ady amin’ny fanavakavahana ara- tsaranga Nisy vanim-potoana izay nampahazo laka ny firehan-kevitra hoe: “Aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana”. Taty aoriana anefa dia nitsimbadika izany ka lasa hoe: “Aleo very tsikalakalam-pihavanana toy izay very tsikalakalam-bola”sy ny hoe: “Ny vola no maha-rangahy!” Tsapan’i Nirhy-Lanto fa miteraka avonavona sy elanelana eo amin’ny mpiara- belona ny fitiavam-bola, ka dia kianiny ao amin’ilay tononkalony hoe: “Maty mamela mamy” ny fihetsiky ireo izay manao tsinontsinona ny hafa : Indrisy! Ry volam-piavonana, Manetry ny zon’olona ory, Miteraka fianjonanjonana Sy fo tsy mangoraka akory Ny havana zary tsy havana, Fa misy misaingy ny vola: Ny antso na feon’ny fitiavana Soloany fijery manjola! (48) Azon’i Nirhy-Lanto an-tsaina ao amin’ilay tononkalo hoe“Ny Vola” fa hisy hanome tsiny azy noho ny fitsikerany ny fihetsiky ireo olona manakalo ny fihavanana amin’ny vola saingy tsy nataony hampihemotra azy izany:

(47) (NL), RAKOTONINDRINA, «Folo taonan’ny F.F.K.M.» Rindrambolana, tak73 (48) (NL), RAKOTONINDRINA, “Maty namela mamy”, Rindrambolana, tak 30 46

Na hisy haniny, tsy maintsy teneniko, Na zovy hitoraka vato ny peniko: Ny vola dia sarim-pitaratra iray Mametraka dindo hitoetra tsy hety ho fongotra: Ny trema sy ny ory fonosin’ny tongotra! Na havana akaiky aza tratran’ izany, Ny ory tsy maintsy ho ladina an-tany. (49)) Manamafy io voalazany io ilay oha-pitenenana hoe: “Ny ory tsy havan’ny manana” sy ny “Ny omby mahia tsy lelafin’ny namany”. Ankoatra ny ady amin’ny saranga, dia nojereny manokana koa ny momba ny fiaroavana ny vehivavy, izay mazàna no iharan-javatra maro eo anivon’ny fiarahamonina.

2.3.5. Ady amin’ny fanilikilihana ny vehivavy Efa an-taonany maro no niadian’ny vehivavy hitovy zo amin’ny lehilahy. Mbola maro ireo fiarahamonina izay manilikilika sy manambany azy ireo. Amin’ny mpanoratra, ny vehivavy dia manana ny anjara toerany, noho izany dia noezahany nahitsy ny fiheverana tsy manome lanja ny azy ireo. Misongandina izany, ohatra, ao amin’ity tononkalo nampitondrainy ny lohateniny hoe: “Ny Vehivavy” Mitovy ny olombelona rehetra na lahy na vavy, hoy izy, ka tsy tokony hifanavakavaka. Ny olombelona rehetra dia torina fa mitovy, Saingy misy kosa anefa mbola tia manavakavaka; Ireny no manora-tena toa voatango ka tsarovy, Fa kiniaviny ny hafa mba hivarina any an-davaka. Mitovy zo ny lehilahy sy ny vehivavy Raha zo mifidifidy izay vinory hitafana Dia lazaina ankitsirano fa saroro nozavarina Fa ny vavy sy ny lahy samy ambanin’ny lalana, Ka ny zo no itoviana sady mampitovy marina Takin’ny mpanoratra ny fampitovian-jo ny lehilahy syny vehivavy. Tsapany

(49) (NL), RAKOTONINDRINA, “Ny Vola”, Rindrambolana, suppra note tak 28 47 mantsy fa manana ny anjara toerany sy ny mampiavaka azy ny vehivavy, satria “tendrombohitr’olona”. Mitovy zo ny lehilahy sy ny vehivavy Raha zo mifidifidy izay vinory hitafana Dia lazaina ankitsirano fa saroro nozavarina Fa ny vavy sy ny lahy samy ambanin’ny lalàna, Ka ny zo no itoviana sady mampitovy marina

Loharano nipoirana ny vehivavy noho izay mendri-kajaina.

Misy anefa fihamboniana an’ny vehivavy iray, Mampanjoko lehilahy na maradona, nofosana; Zovy no tsy hanaiky afa-tsy ny very jery: Fa izy hany loharano sy kitapo nifonosana (50)

Raha jerena ny antony nahatonga an’i Nirhy-Lanto nanohitra ny fanavakavahana dia noho ny fandalany ny firaisan-kina. Hita mibaribary eo amin’ny tononkalo nosoratany ny maha-olon’ny fampiraisana azy. Andeha àry haseho amin’ny alalan’ny fafana ireo voambolana nampiasainy maneho izany.

Firaisan-kina Iray Fiarahana Tokana Firaisana Hiray Hiaraka, Hiarahana Tokana Hampiray Haha-iray Miaraka, Niaraka Fampiraisana Niray Iarahana Niraisana Mpiaraka Iraisana Tafaraka 7 36 26 27

Hampiravona Nampiana Fihavanana Fitoviana

(50) (NL), RAKOTONINDRINA, “Ny vehivavy” Rindrambolana, tak91 48

Hiravaona Miampy Ihavanana Mitovy Firavonana Niampy Hampihavana Nampitovy Miravona Hanampy Itoviana Fivondronana Ampiana Hikambana Nanampy Fiombonana Nifanampy Namory Fanampiana Nivondrona 17 25 10 8

FAFANA VOALOHANY Mitotaly 166 ireo voambolana maneho firaisan-kina nampiasainy. Ny betsaka indrindra amin’ireo dia ny voambolana hoe “iray” izay miisa 36. Azo heverina fa ny faniriny hampivondrona ny Malagasy hivondrona ho iray no antony mahatonga izany.

Mibaribary eto fa nivelatra tamin’ny sehatra maro tokoa ady natrehin’i Nirhy- Lanto mba ho fandrindrana ny fiarahamonina. Amin’ny maha-mpanakanto azy anefa dia manana anjara asa izay iavahany amin’ny olon-tsotra ihany koa izy. 49

TOKO 3: ADY NATREHINY AMIN’NY MAHA-MPANAKANTO AZY Mba hahafahan’ny mpanoratra mampita hafatra kanto any amin’ny mpamaky dia dingana maro no lalovany manomboka eo amin’ny fanolokoloana ny talenta ka hatreo amin’ny famoahana azy. Mbola ady atrehiny ihany koa anefa ny fiarovana ny sangan’asany amin’ireo mpankatahaka sy mpanao hosoka.

3.1.ADY HO FAMPITSIMOHANA NY TALENTANY Betsaka ireo mety ho antony manentana ny mpanoratra hamokatra asa soratra. Ho an’i Nirhy-Lanto manokana dia azo lazaina ho nisy akony teo aminy ny fanaovana tsianjery poezia tany am-piangonana sy tamin’ny fotoan’ny fankalazana ny fetim-pirenena frantsay,dia ny 14 Jolay fony izy mbola zaza. Nanana endrika fifaninanana na ady ny fitsimohan’ny talentany, satria tamin’ny alalan’ny fanadinana famoronana poezia nampanaovin’ny mpampianatra azy no niandohan’izany. Toy izao ny fintantarany azy: “Tamin’ny 1938, raha mbola taona faharoa izahay, dia nampanao fanadinana poezia anay Ramose Ravelonarivo. Ny fahazazana no lohateny nomeny. Azoko ny laharana voalohany (…) Mpampianatra mpankafy ny literatiora Malagasy Ravelonarivo ary nanoratra tantara filalao an-dapihazo iray izy, mitondra ny lohateny hoe: “Ny ranomason’Ikalamomba” (51) Hatreo dia nitsiry sy nitombo fatratra tao anatin’i Nirhy-Lanto ny fitiavana ny literatiora Malagasy, indrindra fa ny poezia. Izany talentany izany dia nohatevininy hatrany.

3.2.ADY HO FAMPIVELARANA NY TALENTANY Ho fampiroboroboana ny talentany dia nisampana sy nivelatra tamin’ny lafin- javatra maro i Nirhy-Lanto, fa tsy nionona fotsiny tamin’ny poezia. Niangaliany avokoa na ny lahateny na ny hain-teny, ny matoan-dahatsoratra, ny sombin-tantara, ny tantara foronina.

3.2.1 Ireo sangan’asany

(51) (NL)RAKOTONINDRINA, Izaho atody niady amim-bato,op cit,tak16 50

Maro karazany ny fomba ahafahana maneho hevitra sy fihetseham-po eo amin’ny tsirairay, ao ny maneho amin’ny endrika, ao koa ny maneho amin’ny alalan’ny fihetsika. Ny mpanoratra kosa dia maneho izany amin’ny alalan’ny asa soratra toy ny tononkalo,ny tantara,ny lahatsoratra isan-karazany… Toy izao ny fafana maneho ny asa soratra niangaliny.

Karazana asa soratra Isany Santionany Poezia 80 Zazavavy Malagasy Lahateny 12 Miteny ny tapa-porohana Hain-teny 7 Ny fitiavako anao Matoan-dahatsoratra 7 Fanabeazana mifandiso Sombin-tantara 49 Tsiambaratelo nenti-maty Tantara tsangana 1 Adin’ny prozy sy ny poezia Tantara foronina 1 Maty fanindroany

FAFANA FAHAROA

Miharihary amin’ity fafana ity, fa ny tononkalo no be indrindra. Io no tena niangaliany. Ny tononkalo mantsy dia mahalaza amin’ny fomba mifintina ny hafatra tiana hambara. Izany indrindra no nahatonga anay hanadihady azy. Tsy teo amin’ny fiangaliana karazan’asa soratra samihafa ihany no nahitana io ady ho fampivelarana ny talentany io, fa na teo amin’ny tara -kevitra novoiziny, na teo amin’ny sehatra namoahany azy aza. Ny mpanoratra mantsy dia tsy nionona fotsiny tamina lohahevitra na sehatra iray rehefa manoratra fa nisadrahaka tamin’ny sehatra maro. Azo sintonina amin’izany fa niezaka nisarika mpamaky isan-karazany izy tamin’ny alalan’ ny fivoizana ireto tara-kevitra hita amin’ity fafana ity.

“Ny tara-kevitra dia tahaka ny fitaratra izay ahafahan’ny tsirairay na iza izy na iza mizaha ny endriny na dia tsy voasoratra eo aza ny sariny”. (52)

(52) RUBEN BAREIRO, SAGUIER, “Rencontre des Cultures”in L’Amerique Lantine dans sa litterature, UNESCO, 1979, p 13, « Le thème est comme un miroir ou n’importe qui peut se contempler sans que l’image reste gravée » 51

Fafana anasokajina ireo tara-kevitra

Fitiavana Tanindrazana Ho an’i Solomon sy Andry Alakamisy hariva Izay misy ny tiana Fanompoana Tanindrazana Ny fanambadiana Fasana sy Tanindrazana Ny foko Injay ny maty fa miteny Ny fony Jean Jaurès Ranonorana “Le Myre de Vilers Resim-pitiavana Madagasikara 1947 Riam-bato Miantso anao anio ny penina Takalom-pitiavana Nisy tsara… Volan-tsinana Ny Rova! Nokilaina fa tsy levona Fitiavana ihany Teo an-doha fasan’ny Jeneraly 54 Taona Tsy mba maty Ilay foko misaona Vavolombelon’ny 1947 Tata Max Zazavavy Malagasy Mivarotra masoandro Ry Iarivoko Madagasikara Mosarena olo-marina isika

Isany : 13 Isany : 18

FAFANA FAHATELO 1

Finoana sy vavaka Fiainana 52

Andriamanitra mahery fahafahana Ao an’ala « … Fa Jobily izany ka ho masina ho anareo Fahendren’ny malina Folo taonan’ny F.F.K.M. Hasambarana avo sasaka Fo sy saina te-hiray Hava-manavangavana Jobily fankalazana Manodoka izay jerena Krisimasy taom-baovao Maty mamela mamy Lokom-pitiavana telo Miangatra ny tany Manangana faneva Mpiasa miray hina Ny iraka namaky lay Ny fanantenana Ny tenin-drazantsika sy ny Baiboly Ny fasana Ny tsaran’ny razantsika Ny kirin’ny reny Noely! Noely! … Ny tena reny Noely sy ny oram-panala Ny vehivavy Lanonana Ny vola Niserasera Ranomaso Tokana no nampiray Ry ampitso Torimaso tany am-ponja Sasakalin’ny Noely… Voninahitra ho an’Andriamanitra eny Analakely Ankaramalaza Tsaroako indray Izao hianao…hianao izao Manondoka Fitia tsy mba misy tambiny Niserasera Mampianara anay ry Ray Nangonina tetsy sy teroa Ny nofiko Isany : 21 Isany : 23

FAFANA FAHATELO 2 Ny tara-kevitra momba ny toetry ny fiainana no tena ifantohan’ny poezia nosoratan’i Nirhy-Lanto. Azo heverina fa ny fiaretana zavatra mafy maro teo amin’ny fiainany no anton’izany. Mba hampiely ny asa sorany dia sehatra maro no namoahan’ i Nirhy-Lanto ny talentany. 53

3.2.1. IREO SEHATRA NAMOAHANY IREO SANGAN’ASANY Tsy nokoboniny na notehirizin’i Nirhy-Lanto ho azy samy irery akory ny talentany fa nozarainy sy navoakany tamin’ny boky aman-gazety ary haino aman- jery, mba hikolokoloana ny saina amam-panahin’ny tsirairay sy ho lovan’ny taranaka faramandimby; “fa ny teny mandalo, ny soratra kosa mitoetra”. -Ireo boky

Lohateniny Daty nivoahany Isan’ny takila Rindrambolana May 1996 127 Izaho atody niady amim-bato Jona 2002 157 Vary faho boky I Telovolana fahatelo 2006 263

FAFANA FAHAEFATRA

-Ireo gazety Takariva Ny mpandinika Ny sakaizan’ny tanora Ny fanantenana Voninavoko Malagasy vaovao Ny gazetin’ny Malagasy

-Ireo haino aman-jery Televiziona Malagasy Radio Madagasikara

Tamin’ny andron’ny fanjanahantany dia nivaivay tokoa ny sivana, ka izay asa soratra nanohintohina ny fitondrana nisy tamin’izany dia tsy azo navoaka. Teo anatrehan’izany, ireo mpanoratra Malagasy, isan’ireny i Nirhy-Lanto, dia tsy nipetra-potsiny na niraviravy tanana, fa nitady paika hialana tamin’izany, toy ny fampiasana solon’anarana. 54

3.2.2. NY ANTONY ISALORANA SOLON’ANARANA Mety ho samy hafa ny antony mahatonga ny mpanoratra hampiasa solon’anarana na tsia. Ho an’i Nirhy-Lanto manokana dia nosoniaviny tamin’ny solon’anarana isan-karazany ireo asa sorany. Izany akory tsy hoe fitiavana te hiovaova na haingitraingitra fa nisy antony. Hoy indrindra izy raha manazava izany: “Koa dia solon’anarana tsy tokana no nampiasaiko mba hiafenako ao anaty zavona politika tamin’izany andro izany sy mba hiheverana koa indraindray fa zazavavy ilay mpanoratra araka ny solon’anarana entiko. Bruno Rahaingo, Reporter n° 3, Pika Harisoa, Félix Ratsiza, Mamy Rahanitra, Zoely Albertine, Evelyn Rahary, Rado Tiana, dia samy anarako tao amin’ireo gazety”. (53) Mba hahafahan’i Nirhy-Lanto miala amin’ireo sakantsakana sy sivana maro samihafa ary hahatonga ny hafatra ho tafita any amin’ny mpamaky dia nampiasa solon’anarana maro izy. Nony nihanalefaka izany taty aoriana, dia tsy nampiasa afa- tsy ny hoe: “Nirhy-Lanto” izy. Ankoatra ny antony ara-pôlitika, dia teo koa ny fiheverana fa ny mpanoratra dia tsy tokony hanana solon’anarana. Noho izany, dia nikaroka sy namorona koa izy. Toy izao ny filazany azy: “Noheverina fa tsy maintsy manana solon’anarana rehefa mpanoratra ary dia teny frantsay no tsara ho fampiasa amin’izany, toy: ny Jupiter, Comoris, Bonne Feuille Fleur de Lilas, Clair de Lune, Violette de Parme, Rose de Valisoa sy ny sisa. Ary dia rafitra ery koa aho mba nikaroka sy namorona. Fa nanontany tena kosa anefa aho na izany aza taty aoriana izay antony tsy ampiasana ny teny Malagasy amin’ny solon’anarana, koa dia hitako ry Dondavitra mbamin-dry Jean Narivony, Rasoarinosy, Ny ankaratra, Ny Avana, Diavolandava, etsetra”. (54) Tamin’ireo solon’anarana maromaro noforoniny ary dia ny hoe Nirhy-Lanto no niantefan’ny safidiny raha vao nanomboka nanoratra izy ny taona 1942, ny taona 1945 anefa dia noraisiny ho tena anarana ara-panjakana izy io. Koa izany no nahatonga ny anarany hoe: “Nirhy-Lanto Rakotonindrina Charles Victor”. Tsy nijanona ho azy samy irery izy io fa nampitondrainy ireo zanany fito mianadahy dia: i Nirhy-Lanto Rahely Ramiliarinosy, Nirhy-lanto Zoely Seheno, Nirhy-Lanto Voahangy Vololontsihoaraniarivo, Nirhy-Lanto Solotiana

(53) (NL) RAKOTONINDRINA, Izaho atody niady amim-bato, tak 72 (54) (NL) RAKOTONINDRINA, Izaho atody niady amim-bato, tak 16, 17 55

Vonimpitiavana, Nirhy-Lanto Andriamisandratra, Nirhy-Lanto Faraniaina Malala.

3.3.NY ANTONY NIFIDIANANY NY HOE NIRHY-LANTO Tamin’ireo solon’anarana maromaro noforonin’ny mpanoratra dia ny Nirhy- Lanto no nofidiny. Mba hofisorohana ny halatahaka sy ny maha-tanimboanjo ny anarana dia novainy ny fomba fanoratra azy. Manantitra izany ny voalazany: “Namboariko ny fanoratra azy (Nirhy-Lanto) mba hiova kely sy tsy ho mora halain- tahaka. Noraiketiko ara-panjakana ho tena anarako io taty aoriana. Mazava avy hatrany fa tsy mbola nisy mihitsy Nirhy-Lanto teto Madagasikara afa-tsy izaho irery”

(55)

Azo sintonina araka izany fa avy amin’ny teny roa hoe: Niry sy Lanto no nandrafetana io anarana io saingy, mba hiavahany sy hanehoany ny maha-izy azy dia novainy toy izao ny fomba fanoratra azy: Nirhy tsipi-panohizana, Lanto. Andeha ary hovahavahana tsirairay ny hevitra raketin’io anarana io. Ny voambolana hoe: Niry amin’ny ankapobeny dia anarana omena ny zazavavy Malagasy. Entina maneho fa nirina sy nokatsahina fatratra ilay zaza. Mety ho azo avy amin’ny fanafohezana ny anarana hoe: Nirina koa ity anarana ity. -Ny Lanto indray, dia toy izao no amaritan’i Régis Rajemisa azy: “Rindra, Filaminana, Fanamboarana ny zavatra hilahatra, fandaharana tsy hiparitaka”(56) Raha aravona izany ny hevitra fonosin’ny anarana hoe: “Nirhy-Lanto” dia faniriana sy hetaheta hiaina milamina sy mirindra.Mifanigotra tanteraka amin’ny tantam-piainany sy ny tantaram-pirenena izay feno fisavorovoroana izany. Araka izany dia faniriana ny mba hisian’ny filaminana amin’ny fiainany sy ny taranany ary ny fiainam-pirenena ny hevitra raketin’io anarana io.

Olona nanan-talenta tonga mpanoratra afaka maneho hevitra an-tsoratra tamin’ny endrika maro samihafa i NIRHY–LANTO. Nahay nilaza izany tamin’ny fomba kanto. Tamin’ ny alalan’ny ngadona sy ny rima ary sarin-teny fanovan-javatra dia ny hoe “Izaho atody niady amim-bato”. Manaraka izany, na dia mirakitra ny tantaram-piainany aza ireo poezia voalaza tao amin’ny fizarana voalohany dia hainy

(55) (NL) RAKOTONINDRINA, Izaho atody niady amim-bato, tak 17 (56) ( RR) RAOLISON, Rakibolana Malagasy, tak 532 56 ny naningotra ny fo amam-panahin’ny mpamaky ho toy ny niaina izany niaraka taminy. Azo lazaina sahady fa mpanoratra niavaka teo amin’ny mpiara-belona taminy i Nirhy-Lanto.

Nandritra ny fizarana voalohany dia ny mombamomba an’i Nirhy-Lanto amin’ny maha-olon-tsotra sy ny maha-mpanakanto azy amin’ny ankapobeny no fakafakaina. Ao anatin’ny fizarana faharoa indray kosa dia ny fijerena ireo ady natrehany teo amin’ny sehatry ny literatiora. Hirosona manaraka, àry izany endrika isehoan’ny “Atody niady amim-bato teo amin’ny sehatry ny literatiora”. FIZARANA FAHAROA : NY ENDRIKA ISEHOAN’NY“ATODY NIADY AMIM-BATO” TEO AMIN’NY SEHATRY NY LITERATIORA 58

TOKO 1: FAMARITANA NY SEHATRA NIROTSAHANA “Ny poezia sakaiza Manabe sy mitaiza Manefy anao indrindra Ho tia ny mirindra” VARATRAZA

Mba hampivohitra ny endrika isehoan’ny “atody niady amim-bato” eo amin’ny sehatry ny literatiora dia andeha hofantarintsika ny sehatra nirotsahana. Ny famaritana mantsy no ahazoana mamantatra ny zavatra iray. Ahoana tokoa moa no ahitana ny voa raha tsy savasavaina ny raviny? Ny poezia no vontoatin’ny fikarohana anompanana ny famelabelarana. Tafiditra ao anatin’ny tontolon’ny literatiora izy io. Koa hodinihina eto ny fiheverana samihafa momba ny literatiora, aorian’izany no handalinana ny poezia sy ny loharanony ary farany dia ireo singa tsy afa-misaraka amin’ny poezia no hoezahina ho vahavahana.

1.1.NY FIHEVERANA NY LITERATIORA Raha halalinina ny teny Latinina: “Literaé” izay nahazoana ny literatiora, dia midika hoe: soratra manana endrika hita maso, tarehin-tsoratra azo aseho. Araka io famaritana io àry, ny literatiora dia tsy inona fa soratra azo vakina, kanefa misy koa ny hoe: “Literatiora am-bava” izay mifanipaka amin’ny voalaza etsy ambony. Azo ambara fa noho ny fahatsapan’ireo mpikaroka, io fifanoheran-javatra io no nahatonga azy hamorona ny voambolana: lahabolana, hoenti-manondro ny literatiora am-bava; ny haisoratra indray kosa no ilazana ny literatiora an-tsoratra. Indro omena antsika ny famaritana nataon’i Régis Rajemisa Raolison « Haisoratra : fahaizana mandinika ny soratra, fahalalana momba ny soratra »(57) Izany hoe ny maha-soratra ny literatiora no asongadiny. Ny “Dictionnaire Larousse” indray dia milaza fa : “Ny literatiora dia fitambaran’ ireo sangan’asa an-tsoratra na am-bava izay

(57) (R R) RAOLISON, Rakibolana Malagasy, OP. cit, tak 409 59 mikendry hanome ny kanto”. (58) Tsy ny soratra ihany izany no atao hoe literatiora fa tafiditra ao koa ny am- bava. Mitovy amin’izany ny voalaza ao amin’ny “Encyclopédie Encarta”: “Ny Literatiora dia fitambarana ireo sangan’asa an-tsoratra na am-bava izay narafitra tamin’ny fomba kanto” (59) Voarakitra ao amin’ny “Dictionnaire Robert” koa ny maha-fitambarana sangan’asan’ny mpanoratra ny literatiora. (60) Raha fehezina ireo famaritana omen’ny Rakibolana ireo, ny literatiora dia fitambaran’ny haisoratra sy lahabolana izay arafitra amin’ny fomba kanto. Ankoatra ireo dia mbola misy ihany koa ireo famaritana hafa nomen’ny vahiny.

Amin’i Wellek sy Warren ny literatiora dia tovozina avy amin’ny fiarahamonina: “Fitaratry ny fiainana ny literatiora, fomba famerenana azy indray, noho izany, tena tahirin-kevitra momba ny fiarahamonina”.(61)) Tsy mifanalavitra amin’izany koa ny hevitr’i Rolland Bartes manao hoe : « Misy ny tontolo ary miteny izany ny mpanoratra. Izany no atao hoe literatiora » (62) Ho azy ny literatiora dia mirakitra ny fisian’ny tontolo. I Lanson indray dia manasongadina ny maha-fitaovana mikolo ny ao anaty ny literatiora araka ny voalazany hoe: “Ny literatiora dia fitaovana fikoloana ny ao anaty” (63)

Manana ny fomba fijeriny ny literatiora koa ireo mpanoratra sy mpandinika Malagasy. Amin-dRAVELOJAONA dia tsy inona akory ny literatiora fa zava-misy: “Ny zava-malaza mitranga teo amin’ny tany ama-monina (…) dia ny

(58) Petit Larousse Illustré, « Littérature » Larousse, Paris 1986, P. 409 Ensemble des œuvres orales ou écrites qui visent à une valeur esthétique » (59) Encyclopédie Encarta, 2005 : « ensemble des œuvres écrites ou orales composées dans un souci esthétique » (60) Dictionnaire Robert des enfants, Imprimerie Robert, Paris, 1988, P 632 : « Littérature : ensemble des œuvres des écrivains » (61) (R) WELLEK et (A) WARREN, La théorie Littéraire, édition Seuil, Col Poétique Paris, 1971, P. 141 «La Littérature : c’est un miroir de la vie, une réproduction et donc bien sur un document social » (62) (R) BARTES, Essais Critique, édition du Seuil, Paris, 1964, P. 2 (63) (G) LANSON, Histoire de la littérature Française, librairie Hachette, Paris, 1899, avant propos, P. 2 « La littérature est un instrument de culture intérieur » 60 fihavanana izany ny fitaovana sy ny fandimbiasam-panjakana (…), ny toetry ny zavaboary, ny olombelona sy ny toetry samihafa toy ny fahafatesana”. (64) Asehon’i Charles RAVOAJANAHARY kosa ny maha-vokatry ny fiarahamonina ny literatiora araka ny amaritany azy hoe: “Ny literatiora vokarin’ny mpanoratra dia vokatry ny fiainany na avy amin’ny fiainan’ny olona manodidina azy ihany. Mpitondra ny feon’ny tenany na feon’ny mpiara-belona aminy ny mpanoratra amin’izany. Mety ho fanoitra iray eo amin’ny fiarahamonina ny literatiora” (65) Ny fifandraisan’ny literatiora sy ny zava-misy no iombonan’ireo famaritana ireo. Misy kosa ny milaza fa ny literatiora dia fitaovana vita amin’ny teny miavaka. Isan’ireny i Henri RANDZAVOLA izay manambara fa: “Ny atao hoe literatiora dia fitaovan-pifandraisana amin’ny alalan’ny teny hamoahana hevitra, nefa amin’ny fomba miavaka, mihataka amin’ny fiteny andavanandro” (66) Taty aoriana i Siméon RAJAONA dia niombon-kevitra taminy raha milaza fa: “Ny atao hoe literatiora amin’ny heviny ety dia zava-kanto vita amin’ny teny” ary ny style “ny fomba filazan-javatra” no anisan’ny fitaovana enti-mamorona izany zava- kanto vita amin’ny teny izany” (67) Ireo fomba fijery ireo no naravon’ny mpanoratra vitsivitsy tao amin’ny “RARY”:

“Famoronana mifototra amin’ny fahaizan’ny mpanoratra manome aina sy hevitra ary sary ny teny ampiasainy mihoatra noho ny fahatsapana sy fahatakarana azy andavanandro ny literatiora, mahatonga ny sorany sy ny fomba filazany zavatra ho miavaka sy tsy azo amboamboarina, mitondra ny tandindona fenon’izy

(64) RAVELOJAONA, Mpanolo-tsaina, laharana 19, Jolay 1908 (65) (CH), RAVOAJANAHARY, “Ny Literatiora Malagasy” Fanasina laharana 539, 15 Febroary 1968, tak 2 (66) (H) RANDZAVOLA, Literatiora Malagasy” Ny Mpanolo-tsaina, laharana 176, Avril-Juin 1946, tak 7 (67) (S) RAJAONA, Ny zava-kanto vita amin’ny teny, OP cit tak 9 61 mpanoratra, ary izy ihany” (68)

Ny azo andravonana ireo voalazan’ny mpandinika ireo dia tsy inona ny literatiora fa fanehoana vetsovetso amam-pihetseham-po sy ny fientanan-tsaina manoloana ny fepetra maha-olombelona. Manampy an’ireo, ny fiheverana ny fihetsiky ny olona eo anatrehan’ny zavaboaary sy ny mpiara-belona ary izao tontolo izao mihitsy aza, ny literatiora. Ho anay indray ny literatiora dia manana rindra anaty dia ny hevitra ambarany. Tsy odiana tsy hita anefa ny endrika ivelany, satria ny fikambanan’ireo rindra anaty sy ivelany ireo no miteraka ny atao hoe: kanto. Raha dinihina izay voalaza mikasika ny fiheverana ny literatiora dia tsapa fa mitana anjara toerana lehibe eo anivon’ny fiarahamonina izy. Ny literatiora dia fitaovam-panabeazana noho izy mirakitra zava-maro toy ny fahalalana ny kolon-tsaina, fahendrena,…sns. Miaiky izany i ARNI raha naneho fa:

“Vokatry ny tany ny haisoratra, ka na inona sary avoakany, na inona loko asongadiny, na inona hevitra raketiny, dia tokony hamantsika ny saina amin’ny tontolo misy azy izy fa tsy hitondra ho amin’ny fisarangotana amin’ny tontolon’ny nofinofy fotsiny” (69).

Iray amin’ireny, ohatra, ity tononkalo nosoratan’i Nirhy-Lanto, mitondra ny lohateniny hoe: “Mpiasa miray hina” ity

Ny saina mandinika ka mitazana, Dia mbola mitana ny nentin-drazana: Fa ny firaisana no ahefana Ny adidy sahanin’ny iray tanana!

(68) Famaritana niombonan’ireo mpanoratra nanao ny “RARY” ireo. “Rary”: fiaraha-midinika nifanaovana tamin’ireo mpanoratra ireto: Rado, Ranjatohery Harilala, Randriamamonjy Esther, Lila Ratsifandrihamanana, Mbato, natao teny amin’ny E.S.D.E.G.S. Ankatso ny 09 Desambra 1995. (69) Tovozin-tsy ritra, boky fahatelo, édition Tsipika,1991, tak 48 62

Mandala ny hasin’ny fihavanana No fenitra tokana iaraha-manana; Izany no adidy tsy an’olon-dratsy, Fa izay iray asa iray vatsy!

Na ory ny manana na finaritra, Na misy ny mafy tsy hita faritra Ny vonon-kiray no hahazo hery Fa resy tsy miady ny singan-drery. (70)

Azo tarafina amin’ity asa soratry Nirhy-Lanto ity ny maha-mpanabe ny mpanoratra. Eto ny toetra tiany hananan’ny mpamaky dia ny fandalana ny fihavanana sy ny firaisan-kina. Ankoatra izany, mampivelatra ny saina ihany koa ny literatiora, satria mampahafantatra lafin-javatra maro. Mandranitra sy manitsy azy amin’ny alalan’ny fanakarana ireo hevitra fonosin’ny teny ampiasain’ny mpanoratra. Anisan’ny manaiky ny maha-fitaizan-tsaina ny literatiora i Charles RAVOAJANAHARY amin’ny hoe: “Ny literatiora dia fiasana manefy ny olona mba hanana fisainana mifandraidraika. Ary izay miavaka tsy manaraka izany dia noheverina ho tsy ampy fahendrena, tsy mba to teny tamin’ny mpiara-belona” (71) Izay hoe mampitovy fijery ny mpamaky na ny mpihaino ny literatiora.

-Manome fafinaretana sy mampiala voly ny literatiora ,rehefa reraky ny rotorotonin’ny fiainana ny olona dia fanaon’ny mamaky boky mba hanala hamoha sy fahasorenana. RAJAONARIVELO dia maneho fa ao anatin’ny tanjona eo amin’ny literatiora ny fanolorana izay mahafinaritra sy ny mahasoa: “Ny kendrena amin’ny literatiora dia hahafinaritra sy hahasoa”(72) Ohatra anakiray amin’ireo asa soratry mampila voly ity nosoratan’i Nirhy- lanto ity: Niserasera ireo narisarisa

(70) (NL), RAKOTONINDRINA, “Mpiasa miray hina” Rindrambolana, tak 78 (71) (Ch), RAVOAJANAHARY, Fanasina: “Fitaizan-tsaina amin’ny alalan’ny literatiora” 1968 (72) RAVELOJAONA, Mpanolo-tsaina, laharana 19, Jolay 1908 63

Ka nalaky dilatra ny disadisa Fa niserasera sy nirosarosa, Ireo nidola teny aoriana kosa!

Ny risoriso dia nanorisory, Tsy nitsimbina izay havana ory Voarasarasa toy ny sarisary Ilay fitia vinaky teny an-karihary

Ny sirasira no narosoroso, Izay hay mitovy toy ny vaton-doso: Na samy zaza ireo sy kely hery, Fa resiresy tran’ny serisery. (73) Ny fisian’ny rima sy ny ngadona ary ny fampiasana ny tamberin-drenifeo “S”sy “R”eto no ahazoan’ny sofina fahafinaretana. -Fisian’ny rima Niserasera ireo narisarisa (a) Ka nalaky dilatra ny disadisa (a) Fa niserasera sy nirosarosa, (b) Ireo nidola teny aoriana kosa! (b) -Fisian’ny ngadona Ny risoriso dia nanorisory, Eo ihany koa ny fampiasany teny verin-droa toy ny: sirasira, narosoroso,… sy ny voambolana mahatsikaiky izay mampialavoly.ohatra: “resiresy tian’ny serisery. -Mpitarika sy mitaona hitolona ny literatiora: Miezaka ny hampahafantatra ny lesoka misy eo anivon’ny fiarahamonina ny mpanoratra. Manentana ny olona ihany koa izy mba hahatsiaro tena handray ny adidy aman’andraikitra tandrify azy, ary manaitra ny sainy hanohitra ny tsy rariny sy ny tsy mety. Hita izany, ohatra,amin’ny tononkalon’i Ondatin-Droy mitondra ny lohatenin’ny hoe: “Handrodan-tsaranga tsy mitovy” (…)

(73) Gazety Valiha, 1993 64

Totohondry mivokina ho fihatsihana Handrodan-tsaranga tsy fitoviana Fa tsisy taranaka voaozona Handefitra lava hotaingenam-bozona

Ny adin’ny Asa sy Renivola Tsy efan’ny resaka sy ny angola Fa fifanoherana tsy miray Tsy hivitra hiravona ho bemiray

Fa ny olona rehetra efa mahatsapa Fa anjaran’ny Asa ny miaka-dapa Toa rano any an’ony misasasa ‘Ndao fa hirotraka isika mpiasa (74)

Ao anatin’ity tononkalo ity no anentanan’i Ondatin-Droy ny vahoaka hitolona sy handrodana ny tsy fitoviana misy eo amin’ny mpiasa sy ny mpampiasa vola. Azo ambara fa fitaovam-panentanana mahomby noho izany ny literatiora.

Eto dia tonga ao an-tsaina avy hatrany ny tenin’i Lydiary hoe: “Ny soramonina (littérature) no hery manentana ny olombelona, manome hasina ny fiainana, tsioka mamelombelona ny trotraka ary endrika mampisongadina ny zava-boary” (75) Tian’ ity mpanoratra ity hasongadina fa ny literatiora dia manana ny lanjany lehibe tokoa eo amin’ny fiainan’olombelona.

-Mirakitra ny tantaram-pirenena sy manabe voho ny teny ny literatiora. Ao

(74) ONDATIN-DROY(pseudo), Andry-Pilier, n° 93, 11Martsa 1971 (75) LYDIARY(pseudo), Tontolo isainana, Sandratra, amboaran-tononkalo faharoa, Imprimerie Berti, Marohoho, Antananarivo 1991, tak 5 65 anatin’ireny asa sorany ireny no ampahatsiahivan’ny mpanoratra ny lasa, itaterany ny ankehitriny ary aminaniany ny ho avy mikasika ny zava-misy eo amin’ny firenena. Hoy Esther RANDRIAMAMONJY raha milaza momba izany: “Ny literatiora dia manjary fitaratra azo itarafana ny haren-tsaina amam- pahendrena izay mazana miara-dalana na mifandray na mifaningotra amin’izay miseho eo amin’ny tantaran’ilay firenena” (76) Manana tononkalo izay mifandraika amin’ny zava-nitranga teto amin’ny firenena i Nirhy-Lanto. Iray amin’ireny ity tononkalony nampitondrainy ny lohateniny hoe: “Ny Rova! Nokilaina fa tsy may” (154) izay itantarany ny zava- nitranga teto amin’ny firenena tamin’ny 06 Nôvambra 1995 dia ny fandoran’ny fahavalom-pirenena ny Rovan’ny Manjakamiadana. Nisy ela nifatorana, Dia ny Rova izay nodorana: Mbola ao tsy tena toro, Ny aloalo tsy nikoro!

Ireny mantsy sisa tazana, Ifandraisana aman-drazana, Ka inoana fa tsy maty Sy mamolivoly anaty (77)

-Mampifandray ny literatiora Mampifandray ny mpandaha-teny amin’ny mpihaino, na ny mpanoratra amin’ny mpamaky ny literatiora, ka ireo voalohany mampita hafatra, fa ireo faharoa kosa indray mandray na mitsikera izany. Manaraka izany, mampifanatona ny samy mpihaino na ny samy mpamaky ihany koa ny literatiora: ka na izy ireo miara- mankafy na miara-mitsikera.Izany no miteraka ny fitoviam-pijery. Ankoatra an’io anefa dia mampifandray ny samy mpandaha-teny sy ny samy mpanoratra ihany koa izy. I Jean Paul Sartre dia nahatsapa fa natao ho an’ny hafa ny zava-kanto ka hoy izy:

(76) (E) RANDRIAMAMONJY, Rary Ranto, 1995, tak 7 (77) (NL), RAKOTONINDRINA, Rindrambolana, Teza Boky, Paris May 1996, tak 92 66

“Tsy misy zava-kanto vitan’ny olona tsy natao ho an’ny hafa”. (78)

Andeha haseho amin’ny alalan’ny kisary àry ny fifandraisana misy eo amin’ny tontolon’ny literatiora.

1) Ny mpanoratra no mandefa hafatra. Marihina fa misy fifandraisana eo amin’ny mpanoratra samy mpanoratra na mpandaha-teny amin’ny alalan’ny valin-kafatra ifanaovana, toy ny nataon’i Samuel RATANY sy Jean Joseph RABEARIVELO, na fifanakalozan-kevitra sy adi- hevitra eo anivon’ny fikambanana ivondronany.

2) Ny asa soratra vokarin’ny mpanoratra na lahabolana no fitaovana mampifandray ny mpanoratra na ny mpandaha-teny amin’ny mpamaky na ny mpihaino. Io no hafatra alefa.

3) Ny mpamaky sy ny mpihaino izay miara-mankafy sy miara-maneho ny

(78) (JP) SARTRE, Qu’est ce que la littérature, Gallimard, collection: “Idées”, Paris 1948, p 55; « il n’y a d’art que pour et par d’autrui » 67

heviny manoloana izany no mpandray ny hafatra. Mety hiantefa any amin’ny mpanoratra ireny na tsia.

4) Ny fahafantarana ny vanim-potoana sy ny fiarahamonina nipoiran’ny asa soratra no manampy ny mpamaky na ny mpikaroka amin’ny fanakarana sy fahazoana ny hafatra tian’ny mpanoratra na mpandaha- teny ambara.

5) Ny mpandinika kosa no manadihady ireo singa tsirairay ireo.

Tsapa àry fa ny literatiora dia manolokolo sy manabe ny olona amin’ny lafiny maro. Tsaroana eto ny tenin-dry (C)RABENOELY sy (GT)RANAIVOARISOA: “Tadidio àry fa anisan’ny anjara asan’ny literatiora ny fanentanan’ny mpanoratra na ny mpanakanto ny mpamaky sy / na mpihaino mba hisarika azy hiombon-kevitra aminy sy / na hirotsaka an-tsehatra eo amin’ny lafim-piainana rehetra: toe-karena, pôlitika, fiarahamonina, kolom-piainana, finoana, fitondrantena…” (79) Manana anjara toerana lehibe eo amin’ny fiainan-draolombelona ny literatiora. Ao anatin’izany ny poezia saingy manana izay mampiavaka azy amin’ireo karazana literatiora hafa izy. Izany no nahasarika anay hijery manokana ny poezia.

1.2.NY POEZIA Mety ho samy hafa arakaraka ny toerana sy ny vanim-potoana, ny fiheveran’ny olona ny poezia. Teny Frantsay “Poésie” nogasiana ny hoe poezia, azo avy amin’ny teny grika “Poésis”, izay midika famoronana ka ny poeta dia heverina ho mpamorona.

Toy izao indray ny famaritana hita ao amin’ny Rakibolana samihafa:

♦ Fambaboana ny fo sy ny ao anaty amin’ny alalan’ny teny voafantina sy mirindra no atao hoe poezia. Manamarina izany i Déschamps amin’ny fiheverany fa:

(79) (C)RABELOELY sy (GT)RANAIVOARISOA, Lovako, T9,Ambozontany, Analamahitsy, Antananarivo 2003, tak 74 68

“Ny poezia dia (…) fahaizana mampitranga sy mampiteraka ao anaty ireo karazam- pahatsapana sy fiontanam-po velona isan-karazany amin’ny alalan’ny fampivadiana feo, fingadona, firindrana (…) (80) Mitovitovy amin’io koa ny famaritana omen’i Régis RAOLISON: “Ny poezia dia toetran’ ny zavatra mampamelovelo ny fo sy saina”. (81) Ny poezia izany dia toetra ananan’ny zavatra manentana ny fo sy saina. Amin’i Paul Valery kosa dia hairaha kanto narafitra amin’ny teny ny poezia : “Ny poezia izany dia haikanto manokana mifototra amin’ny teny”. (82) Izany hoe zava-kanto vita amin’ny teny no antsoina hoe: poezia Ny « Encyclopédie Encarta » koa dia mbola manantitrantitra fa «Ny poezia dia zava-kanto vita amin’ny teny, izay azo avy amin’ny alalan’ny filalaovana firindran’ny teny, mba hahazoan’ny mpamaky na ny mpanoratra fahafinaretana ara-tsaina na ara-pandrenesana » (83) Ankoatra ny ao Rakibolana dia misy ihany koa ireo famaritana hita ao amin’ny boky aman-gazety samihafa .

♦ Mirakitra ireo zavatra hita sy tsy hita ny poezia. Mitamberina ao an-tsaina eto ilay tenin’i Jean Irenée RAMIANDRISOA: “Ny poezia dia izay afaka hampirindra ny zavatra azo tsapain-tanana ka voasariky ny fandrenesam-batana (eto dia ny sofina, ny orona, ny maso) amin’ny zavatra tsy azo tsapain-tanana (eritreritra, fihetseham-po, fitiavana, …sns)” (84) Araka izany dia ahafahana mampifandray ny tontolo azo tsapain-tanana sy tsy azo tsapaina eo amin’ny eo amin’ny olombelona.

♦ Mambabo sy maningotra ny fanahy ny poezia. Amin’ny Malagasy; ny fanahy no maha-olona, izany no mahatonga azy hilaza

(80) Dictionnaire Larousse Encyclopédique, Tome 8, Librairie Larousse Paris 1966, p 586: “La poésie (…), art d’évoquer et suggerer les sensations, les impréssions, les émotions les plus vives par l’union intime des sons, des rythmes, des harmonies” (81) (RR) RAOLISON, Rakibolana Malagasy, OP. cit tak 800 (82) Paul Valery, Dictionnaire le pétit Robert des enfants, P. 1332 « Poésie…c’est un art particulier fondé sur le langage » (83) Encyclopédie Encarta 2005, “Poésie: art du langage, qui caracterise la mise en jeu de toutes les ressources de la langue rythmique afin de créer pour le lecteur ou l’auteur un plaisir à la fois intellectuel et sensible” (84) (IR)RAMIANDRISOA, « La bible source d’inspiration » Hiratra, 1987, laharana 5, tak 145 69 fa ny hery tsy mahaleo ny fanahy. Asehon’i Jean NARIVONY àry: “Fa ny tena maha poezia ny poésie dia ilay antsoina hoe: “fanahy ao aminy”( 85) Ho an’i Charles RAJOELISOLO kosa : “ (…) ny tena poezia dia vetsom-po manetsika fo hafa, hiran’ny fanahy, mampipararetra fanahy” (86) Ny tiany aharihary eto ny maha-hiran’ny fanahy manentana ny fo ny poezia. Fa hafa noho ireo ity famaritan’i Alfred de Vigny ity: “Ny fahaginana amiko no tena poezia”(87) Toa toheriny noho izany ny filazana fa ny poezia dia lahabolana, fa asongadiny kosa ny maha-vetsom- po amam-panahy azy. Manana ny fiheverany momba ny poezia ihany koa i Nirhy-Lanto. Aminy ny atao hoe poezia dia zava-kanto manara-drafitra. Toy izao no nilazany azy: “Asa soratra narafitra sy narindra amin’andalana sy amin’andininy, fehezam-pitsipika amin’ny fingadona sy amin’ny fiadiana rima; teny Malagasy madiorano no ao anatiny, ary izay fonosiny mandrakariva dia ventsoventso mampisondrotra fanahy sy mampamelovelo fo.” (88) Raha fehezina ireo famaritana omen’ny mpandinika sy ny mpanoratra ary ny poeta ireo, ny poezia dia teny mihataka amin’ny andavanandro, narindra sy nasiana ngadona voarefy, ka miteraka feo sy sary kanto manetsika ny retsi-pandre ary mambabo ny saina sy ny fo amam-panahy. Raha ny fahitanay azy indray: ny poezia dia ahitana rima, ngadona, andalana, andininy eo amin’ny endrika ivelany amin’ny ankapobeny. Mambabo ny fo sy ny saina amam-panahin’ny mpamaky kosa ny vontoatiny ary ahitana firindrana. Misy ihany anefa ireo poezia izay malala-drafitra ka tsy voatery ahitana rima.

Hofintininay amin’ny alalan’ity ampahan-tononkalo ity ary ny famaritanay ny poezia: Ny poezia mambabo Ary koa manandratr’avo

(85) (J) NARIVONY, Fanavaozana, May 1955 (86) (CH) RAJOELISOLO, Fandrosoam-baovao, 13 Juin 1932, tak 2 (87) (A) Vigny, Poésie Choisies, Librairie Larousse 1970, tak 128 « le silence est la poésie même pour moi » (88) (LN) RAKOTONINDRINA, Vary faho, op cit tak 234 70

Ny “maha-olo” manontolo Dia sahaniny daholo VARATRAZA

Ireo famaritana ny poezia ireo no ahafahana manatsoaka ny lanjany sy ny anjara asany. Manana ny mampiavaka azy tokoa ny poezia eo anivon’ny fiarahamonina noho izy mambabo ny fon’ny olona sy mamefy ny saina ary manolokolo ny ara- panahy.

-Mambabo ny fo ny poezia Mba hahafahan’ny poeta misarika sy mambabo ny mpamaky dia mampiasa filazan-javatra mihataka amin’ny andavanandro izy. Hita izany amin’ny alalan’ny fifantenany sy fikarohana ny voambolana mifanaraka amin’ny heviny sy ny rafitry ny poezia. Eo ihany koa ny fiangaliana ny sarin-teny. Ohatra ity poezian’i Nirhy-Lanto mitondra ny lohateniny hoe: “Mosarena olo-marina isika”

“Ory ery ny fireneko Mosarena olo-marina Misy ihany te-hiarina Iva feo ka tsisy reko!” (89) Eto ny firenena, izay midika vahoaka iray tany, iray teny sy fomba ary miara- monina amin’ny fanjakana iray, dia ohariny amin’ny olona noana ka maniry fatratra te-hihinan-kanina. Nofantenany ary ny voambolana: Mosarena izay midika tsy fananan-kohanina mba hanamafisany ny tsy fisian’ny olo-marina eo anivon’ny firenena sy hofanairana ny mpamaky. Ankoatra ny filalaovany voambolana sy fampiasana sarin-teny dia eo ihany koa ny fiventesana ny tara-kevitra momba ny fitiavana, izay anisan’ny maha-poezia ny poezia.

(89) (NL), RAKOTONINDRINA, “Mosarena olo-marina isika” Izaho atody niady amim-bato, tak 150 71

Santionany ireo poezia nosoratan’i Nirhy-Lanto momba ny fitiavana ity: Fitiavana ihany, Rahavana! No hany takalom-pitiavana, Ny zavatra ivelan’izany Dia lainga sy fitaka ihany” (90) Noezahin’i Nirhy-Lanto eto ny namaritra ny tena fitiavana sy nizara ny fientanam-pony. Hoy indrindra i Paul Claudel raha milaza momba io fihetseham-po io: “Ny poezia dia mampahafantatra antsika izao tontolo izao amin’ny alalan’ny fihetseham-pontsika” (91)

-Manaraka izany, manefy ny saina koa ny poezia. Mahatonga ny saina haranitra ny poezia satria, mitarika ny mpamaky hanakatra ny hevitra tiana hambara. Manamarina izany Randza ZANAMIHOATRA raha mitatitra ny anjara asa sahanin’ny mpanoratra eo amin’ny firenena izy: “Ny anjara toeran’ny mpanoratra eo amin’ny firenena iray dia mamohafoha ny mpiara-belona aminy tsy ho domelina, tsy ho donto, tsy hataon’ny olona soavaly”(92) -Manampy ny fitadidiana ihany koa ny poezia noho ny fisian’ny rima sy ny ngadona. Eo ihany koa ny fiezahan’ny mpanoratra hampahafantatra ny zava-misy manodidina azy sy hanala sarona izany, ka mampivelatra ny saina. Tahaka izao ny hevitry Randza ZANAMIHOATRA momba izany. “Mamoha ny fientanana tsy mbola tanteraka ao amin’ny olona ny soratra, manetsiketsika ny sainy hanakatra ny fivelatr’izao tontolo izao” (93)

Izany hoe manome fahalalana sy mampikaroka ny saina ny poezia. - Ankoatra izany, mikolokolo ny fanahy ihany koa ny poezia. Maro ireo tara-kevitra manetsika ny ati-fanahy voizin’ny mpanoratra. Marihina fa isan’ny maha-poezia ny poezia ny famaboana ny fanahy. Manaiky izany i Charles RAJOELISOLO izay manambara fa: (…) Ny tena poezia dia vetsovetsom-po manetsika fo hafa, hirain’ny fanahy

(90) (NL) RAKOTONINDRINA, “Takalom-pitiavana” Rindrambolana, tak 42 (91)( P) Claudel, Réflexion sur la poésie, édition Gallimard Paris 1963, p 33; “La poésie nous fait connaître le monde au moyen de nos sentiments” (92) (R)ZANAMIHOATRA, Aingam-pivoarana, gazetin’ny FIMPATEMA, laharana 6 , tak 54 (93) (R) ZANAMIHOATRA, Vain’afo Tononkira, Librairie Ambozontany, Fianarantsoa 1969, tak 5 72 mampipararetra fanahy hafa” (94) Araka izany ny poezia dia vetsovetsom-po amam-panahy natao ho an’ny hafa. Ny poezia koa dia fitaovana ahafahana mifandray amin’ny hery tsy hita maso, izany hoe: “fitaovana enti-mivavaka sy mangata-pitahiana” Maneho izany i Nirhy-Lanto amin’ny alalan’ity tononkalo “Fo sy saina te- hiray” ity izay mangataka amin’Andriamanitra ny fiombonan-tsaina sy fo. “Fo sy saina te-hiray Lavorary sy tanteraka Tompo o! Omeo anay Fo sy saina te-hiray!(95)

Hita ihany koa izany amin’ny tonkalon’i Rado izay nangatahany fitantanan’ Andriamanitra.

“Mba tantanonao, ry Ray Izato lalan-janakao Ny mifidy toa tsy haiko Fa maniry indrindra anao Hitanao ny adin-tsaina Mitambesatra ao an-doha Izay tsikin’ny maraina Toa ela vao hifoha”(96)

Hoy jules Monnerot manampy izany: “Ny poezia dia vavaka amin’ny tsy hita.”(97)

Tsapa tokoa fa manana ny anjara asany eo amin’ny fiainan’ny olombelona ny

(94) (CH) RAJOELISOLO, Fandrosoam-baovao, 13 Juin 1934, tak 2 (95) ( NL) RAKOTONINDRINA, « Fo sy saina te hiray », Rindrambolana ,op cit,tak70 (96) RADO, ZO,imprimerie,Newprint,NouvelIe Immeuble,ATELEMEC,2001,tak211 (97) (J) MONNEROT« magie sans espoir », La poésie moderne et le sacre, édition gallimard, Paris,1964 « la poésie est prière à l’absence » 73 poezia. Koa mety raha hofantarina ny loharano nipoirany.

1.3. Ireo loharanon’ ny poezia Tsy tongatonga ho azy tsy akory ny poezia fa tao dia tao ny loharano niteraka ny ony. Manoloana an’ izany anefa, dia tsy mitovy ny fiheveran’ny mpanoratra sy ny mpandinika izany. Ao mantsy ny milaza fa hery avy ao anaty no ahafahana mamorona ny poezia. Ao indray ny mihevitra fa hery avy amin’ny manodidina na ny fiarahamonina no miteraka azy. Misy kosa ny manambara fa avy amin’ny hery tsy hita izany.

* Hery avy ao anaty ny poezia

Maro ireo mihevitra fa avy ao anaty na teraky ny fo ny poezia.

-Teraky ny fo ny poezia

Alfred de Musset dia mihevitra fa zava-kanto vokarin’ny fo, ny poezia Mitovy fijery aminy koa i Claudel raha milaza fa: “Mampahafantra antsika izao tontolo izao amin’ny fihetseham-po ny poezia”(

98)

Toa te hilaza izany izy fa mitosaka ho azy avy ao am-po ny poezia.

-Vokatry ny saina mamakafaka ny poezia

Toy izao ny fanambarana nataon’i Charles RAJOELISOLO. « Tsy maintsy indray miasa ao am-po [amin’ny poezia ] ny saina mihevitra sy ny mahatsiaron’ny mpanoratra.» Midika izany fa mila fadinihana sy fandalinana ny fandrafetana ny poezia. I Jean Joseph RABEARIVELO dia mandravona ireo fiheverana roa ireo dia ny hoe teraky ny fo sy saina ny poezia.amin’ny filazany hoe : « Tsy ny teny na ny heviny mibaribary intsony no poezia ,fa ny feony sy ny

(98) ( P). CLAUDEL, Réflexion sur la poésie, suppra note p 33 74 tarehin-kevitra fohaziny ao an-tsaina sy ao am-po »(99) Amin’ireo mpanoratra sy/na mpandinika,milaza fa avy ao anaty ny poezia dia misy ny maneho izany ho teraky ny fo, misy indray manambara hoe vokatry ny fiasan’ny saina ,ary ao ireo manaiky fa sady novolavolain’ny saina no nateraky ny fo ny poezia.

* Hery avy amin’ny manodidina na ny fiarahamonina ny poezia.

Ireo mpanoratra sy/na mpadinika izay mihevitra fa hery avy amin’ny manodidina na ny fiarahamonina ny poezia dia ireo izay resy lahatra fa misy ifandraisana ny mpanoratra sy ny fiarahamonina iainany. Toy izao ny voalazan- dRAHARIMANGA Fidèle: “Tsy afa-misaraka amin’ny asa soratra ny mpanoratra” (100) Noho izany dia taratry ny zava-misy no tateriny ao amin’ny haisoratra. Iray tamin’ny zava-nitranga teto Madagasikara ny raharaha 1947 ka dia, kaloin’i Nirhy- Lanto ao amin’ny asa sorany manao hoe: “Vavolombelon’ny 1947: Tata Max (1907- 1983)” (101) ny zava-nitranga tamin’izany. Eto dia tsaroana ny tenin’i (L.P.) RANDRIAMAROLAZA hoe: “Ny zavatra rehetra misy eo amin’ny fiainana sy fahita marain-tsy hariva no kaloin’ny poeta amin’ny teny voarindra sy voafantina” (102) Azo ambara fa ny fahitan’ny mpanoratra ny zava-misy manodidina no manetsika azy hanoratra, noho izany ny mpanoratra dia mandray ny zava-misy eo amin’ny fiarahamonina ka mamerina ireny amin’ny alalan’ny filazan-javatra mihataka amin’ny andavanandro, izay mahatonga ny mpamaky hankafy ilay asa soratra.

* Hery avy aty ivelany

Mety hiovaova ny anarana anondroana io hery avy ivelan’ny tena io. Ho an-

(99) (JJ)RABEARIVELO, “isika sy ny literatiora”, Mpanolo-tsaina, Mey 1987 (100) (E.F)RAHARIMANGA, Ny Avana Ramanantoanina et l’identité nationale,thése de doctorat d’Etat du 3émè cycle,Institut National des lettres et civilisations orientales, Paris, tak 9 «La vie d’un écrivain est inséparable de son œuvre » (101) (NL) RAKOTONINDRINA, Rindrambolana, tak 51 (102) ABRAHAM, “Ny poezia sy ny lalanany”, Fampitaha, laharana 20, Printy Hery, Ambanidia Antananarivo 1965, 75 dry zareo grika, ohatra, dia mihevitra fa ny “Muse”, iray amin’ny ireo andriamani- bavy sivin’ny hairaha no loharanon’ny poezia.(103) Manana ny ilazany io hery io ny Malagasy. Misy ireo mampiasa ny voambolana nogasiana hoe: “Mioza”, misy kosa mampiasa voambolana Malagasy “ Tromba”. Isan’ireny RANOE izay milaza fa: “Ny aingam-panahy dia tsy inona fa tromba mambabo ny fon’ny poeta, ka mahatonga azy hiteny kanto izay mambabo fo hafa” (104)) Izany hoe ny tromba no hery manosika ny poeta hanoratra ary tsy ananany fahefana amin’ny maha-hery ivelany azy. Toy izao ny fomba fahitan’i Randza ZANAMIHOATRA izany ao amin’ny tononkalo hoe: “poeta”. : “Fanahin’ny poeta, mihoatra ny ara-batana sy varavaran-telon’ izao tontolo izao.” (105) Aminy izany dia hery ivelan’ny fanahy, saina, vatana no miteraka ny poezia. I Platon kosa dia milaza fa avy amin’Andriamanitra ny hery amokaran’ny poeta ny asany. Nanome ny fiheverany momba ny loharanon’ny poezia koa i Nirhy-Lanto. Ho azy dia avy amin’ny nofinofy izy io araka izao itaterany azy izao: “Sady teraka aho [poezia] no monina ao amin’ny Ivohitrininofy, ihany aho tompoko, Firaisan’Ambohiventsoventso ary Fivondronampokotanin’ i Manakadanitra.” (106) Ho anay indray ny poezia dia teraky ny fo sy saina amam-panahy mandoko amin’ny fomba kanto ny zava-misy manodidina azy.

1.4.IREO SINGA TSY AFA-MISARAKA AMIN’NY POEZIA Tsy mandeha irery ny poezia fa ao dia ao ireo singa izay tsy afa-misaraka aminy dia: ny poeta, ny mpamaky ary ireo hery manosika hamokatra kanto. Mety tsy tomombana ny fifandraisana raha misy banga ireo singa tsirairay mifandray tendro. (

107)

Andeha aseho amin’ny alalan’ny kisary izany endri-pifandraisana misy izany:

(103) Dictionnaire Universel, Hachette Paris 1955, p 797 “Muse chacune des neuf déesses qui presidaient aux arts libéraux” (104) Tovozin-tsy ritra, Boky fahatelo, édition Tsipika Librairie Antaninarenina,Antananarivo 2001 tak 4 (105) (R) RAZANAMIHOATRA, Vain’afo tononkira,tak,17 (106) (NL) RAKOTONINDRINA, Vary faho , tak 234 (107) (R) JAKOBSON, Fonction du langage, taterin’i (J.L.) Joubert ao amin’ny « La poésie » Armand Colon, (103 bd, St Michel, 75.0005), Paris 1988, p 87 76

Marihina fa ny teny no fitaovana ampiasaina amin’io fifandraisana io ary ny poeta no mpandrafitra izany. 1.4.1.NY POETA Ny poeta dia olona miara-miaina amin’ny mpiaramonina aminy, saingy ny aingam-panahy ananany no iavahany amin’ny olon-tsotra. -Mpitondra hafatra sy mpitatitra ny zava-misy,dia ny hita sy ny tsy hita, ny poeta. Toy izao no voalazan’i Randja ZANAMIHOATRA: “Inona ary ny poeta sy ny mpanoratra? Mitondra ny feon’ny tenany araka izay hiheverana azy tokoa izy. Feon’ny fantatra sy ny tsy fantatra ihany koa, feon’ny tsy hita maso sy ny hita maso, feon’ny lasa sy ny feon’ny ho avy ao amin’ny onjan’ny fisiana ary feon’ny sary” (108) -Mpanabe ny poeta Amin’i Solofo José dia andraikitry ny mpanoratra sy ny mpamoron-java-kanto ny mikolokolo toe-tsaina tia fandrosoana ho an’ny mpiray Tanindrazana. Ny poeta izany dia manolotra fahalalana sy mamolavola ny sain’ny mpamaky. I Nantoandro R.J.D. ihany koa dia nahatsapa izany, amin’ity ampahan- tonokalo ity: Moa tsy taminay poeta No niseho ny saina tony Ary koa manadihady Raha sendra lonilony Mety hiteraka ny ady?(109)

(108) (R) ZANAMIHOATRA, Aingam-pivoarana, gazetin’ny FIMPATEMA, laharana 6, tak 62 (109) Tovozin-tsy ritra, Boky fahadimy, édition tsipika,Tananarivo 2001, tak 97 77

Tiany haharihary eto, fa ny poeta dia mpandamina sy mpampihavana ny mpamaky. Marihina fa tsy ny saina ihany no beaziny fa ny fo amam-panahy ihany koa. Araka izany misahana ny maha-olona manontolo ny asa sahanin’ny poeta. -Mpitarika sy mpanentana ny poeta Lazaina fa maminany sy mahafantatra sahady ny zava-hitranga izy ireo ka manoro lalana izoran’ny mpamaky. Araka ny filazan’i Lila RATSIFANDRIHAMANANA hoe: “Ny mpanoratra indrindra no andrasana hitarika, ho lohalaharana, ho fanoitra eo amin’ny fanefena ny toe-tsain’ny mpiara-belona” (110), RANJATOHERY Harilala koa dia miombon-kevitra amin’ny maha-pitarika ny poeta: “Mitarika ny olona hibanjina ny tenany sy ny fifampitolomana ataony amin’ny literatiora. Fototra iorenan’ny finiavan-kandroso sy hampandroso izany. Saina tsy manaiky ho voafatotry ny fahazarana amin’ny zava-misy. Antoka ny fahafaha-mandroso sy ny fandresena ny fahantrana amin’ny lafiny rehetra, tsy ho an’ny tsirairay ihany fa ho an’ny firenena manontolo koa” (111)

Santionan’ny tononkalo manentana nataon’i Nirhy-Lanto ilay hoe :“Miantso anao anio ny penina”

-Mpampiala voly ny poeta Ilain’ny olombelona eo amin’ny fiainany ny fialamboly. Maro ny fomba ahafahana manatanteraka izany. Isan’ireny ny famakiana ny poezia. Hoy RANOE raha milaza izany: “Ankoatra ny maha-fialam-boly ny soratra dia vatsin-tsaina ho an’ny mpamaky ihany koa izy.”(112) Ny poezia araka izany dia fitaovana ahafahan’ny poeta mampiala voly ny mpamaky ihany.

Hita tokoa fa manana ny anjara asa lehibe eo anivon’ny firenena ny poeta (110) Rary ranto, 95, tak 11 (111) Rary ranto, 95, tak 5 (112) Tovozin-tsy ritra, Boky fahadimy, op cit, tak 118 78 noho izy manefy sy mampivelatra ny maha-olona ka mahatonga ny mpiara-belona handinika sy handalina ary hamantatra bebe kokoa ny tontolo manodidina azy. Zava- poana anefa izany raha tsy eo ny mpamaky.

1.4.2.NY MPAMAKY Ny mpamaky dia singa iray izay mamelona ny literatiora, satria izy ireo no manoina ny antso ataon’ny mpanoratra; ka na izy mitsikera na mankafy, noho izany dia tsy afa-misaraka ny mpanoratra sy ny mpamaky. Izany indrindra no mahatonga an’i Jean Paul Sartre hilaza fa: “Ezaka ifandrobonan’ ny mpanoratra sy ny mpamaky ny fanaovana zavatra azo tsapain-tanana sy ny asa soratra novokarin’ ny saina. Tsy misy mantsy zava- kanto mety hovokarina raha tsy natao ho an’ ny hafa”. (113)

Naneho ny fomba fahitany ny anjara toeran’ny mpamaky koa ny mpanoratra Malagasy. Tahaka izao ny filazan-dRAMINO izany : « Mifandrohy ny mpanoratra sy ny mpamaky. Saozanina ny voalohany raha mitory teny an’efitra, mandeha an-jambany ilay faharoa raha tsy voatantana sy voatari-dalana ». (114) Manana ny anjara toerana lehibe tokoa ny mpamaky eo amin’ny haisoratra ka tokony hoentanina hankafy izany izy ireo, satria mantsy : «Na toy inona na toy inona heverina ho fiezinezin’ny talentan’ny poeta dia tapany ihany: ny tanlentan’ ny mpamaky no manovona azy ho erany » (115)

Mifameno izany ny asan’ny mpanoratra sy ny mpamaky. Mba hahatonga ny mpamaky hankafy ny sangan’asan’ny mpanoratra anefa dia ilaina fananana talenta sy aingam-panahy mba hiteraka ny kanto. Ny fananana talenta no isan’ny mahatonga ny asa soratra kanto. Ny aingam-panahy kosa no hery manetsika ny mpanoratra hamokatra izany.

(113) (J P) SARTRE, Qu’est ce que la littérature, édition Gallimard Paris 1948, p 55 “C’est l’effort conjugué de l’auteur et lecteur qui fera surgir cet objet concret et imaginaire, c’est l’ouvrage de l’esprit”« Il n’y a d’art que pour et par d’autrui »

(114) Ambioka, Febroary 2001 (115) (R) ZANAMIHOATRA, “Teny mialoha”, Vain’afo tononkira 79

1.5 NY HERY MANOSIKA AMIN’NY FAMOKARANA NY KANTO Tsy tongatonga ho azy ny kanto eo amin’ ny literatiora fa eo dia eo tokoa ireo angady nananana sy vy nahita dia ny talenta sy ny aimgam-panahy.

* NY TALENTA

Ilaina eo amin’ny lafiny famoronana ny talenta izay vy miaina manosika ny mpanoratra amin’izany. Amin’ny ankapobeny, dia tsy ny olon-drehetra no afaka manoratra. Miaky izany RAVELOJAONA raha nanao hoe: “(…) tokony hotsarovana fa tsy zavatra azo anaovana “tonga dia mijoloka” tsy akory ny literatiora. Ilaina talenta sy fanomezam-pahatsiarovana manokana izy, koa izay tsy “voaantso” aleo mihataka”.(116)

Samy manana ny famaritany ny atao hoe talenta ny mpandinika tsirairay: -Misy ny mihevitra fa fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra ny talenta. Tsy ny besinimaro no manana azy na dia: “Fahaizana na fahakingana voajanahary”(117) aza izy. Taty aoriana koa Ranoe dia niray hevitra tamin’izany raha nilaza fa: “Ny talenta dia fahaiza-manao voajanahary ao amin’ny olona iray ka mahatonga azy hahatanteraka tsy misy fahasarotana ilay zavatra ananany talenta, anisan’izany ny sora-kanto” (118)

Ny voarakitra ao amin’ny Baiboly dia ny fanolorana talenta ho an’ ny tsirairay mba hampitomboina. Ka izay tsy mampiasa io talenta io dia esorin’ Andriamanitra aminy izany. (119) I ARNI koa dia manantitra izany amin’ity fanambarany ity: “Ny talenta dia fahaiza-manao ao anatin’ny tsirairay hatrany am-pahariana ka arakaraka ny fahaizana mitrandraka azy no hiroboroboany sy hisandratany amin’ny toerana mendrika, na hahafatesany.” (120) Izany hoe miankina amin’ilay olona manan-talenta ny faharetan’ izany talenta

(116) RAVELOJAONA, “Littérature”, in Mpanolo-tsaina, laharana 19, Jolay 1908 (117) (RR),RAOLISON, Rakibolana Malagasy, O.P. cit, tak 913 (118) Tovozin-tsy ritra, Boky fahatelo, tak47 (119) Ny Baiboly, Matio 25:14-28 (120) Tovozin-tsy ritra, Boky fahatelo, tak 47 80 izany, satria mitaky fandalinana sy fikolokoloana izy mba tsy hahafaty momoka azy. Olona voatokana, fa tsy mitovy amin’ny olon-drehetra izany ny mpanantalenta. Eto dia tonga ao an-tsaina ilay tenin’i Henri Chabrol hoe: “Misy ny olona voatendry sy ambony, nirahina hanazava ny hafa, indrindra ireo poeta sy ireo izay manana tsindrimandry…” (121)

Amiko manokana dia fahasoavana sy fahaiza-manao avy amin’Andriamanitra ny talenta : fintinina amin’ny alalan’ity tononkalo ity ny fomba fijerinay izany :

Fahasoavana ny talenta Fahaiza-manao Iavahana amin’ny rehetra Tsy kisendrasendra izany Fa Zanahary mihitsy No nizara ho an’ny Tany VARATRAZA Tsy ny talenta ihany no hery manosika amin’ny famokarana ny asa soratra fa ilaina ihany koa ny aingam-panahy.

* NY AINGAM-PANAHY

Ny aingam-panahy no mahatonga ny famoronana. Manome famaritana momba izany ny poeta: I TSITOHERY, mpanoratra ao amin’ny SANDRATRA dia nanambara fa ny aimgam-panahy dia hery manetsika ny mpanoratra, iavahany amin’ny besinimaro ka mahatonga azy hanoratra . Ho an’i ILAY, ny atao hoe aingam-panahy dia ilay mahatonga ny loharano hiboiboika tampoka tsy hay tohaina amin’ny teny sy ny sary ary rafitra mirindra, ao an-tsain’ny mpanoratra sy poeta.(122)

(121) (V), HUGO, Poésies Tome I, Collection Flambeau, Hachette, takila 210. “Mais il y a des êtres prédestinés et supérieurs (…) ont pour mission d’éclairer les autres hommes, ces sont surtout les poètes et parmi ces inspirés (…) (122) Tovozin-tsy ritra, Boky fahatelo, Tak 47 81

Fa i Nirhy-Lanto kosa indray, na dia tsy nanome famaritana hentitra momba ny aingam-panahy, dia nilaza ny fahitany ny asa famoronana: “Tsy asan’ ny sandry toy ny an’ ny mpamaky kitay anefa na asa tongotra toy ny an’ ny mpanao hazakazaka am-bisikileta, izay samy mety hamizana ny tenako, no nandreraka ahy izaitsizy ahy, fa hay ity”sain’mpanoratra”ity mba mandazo fatratra ny vatana manontolo ihany rehefa safomorona ny ao anaty”.(123) Raha fehezina ireo voalaza ireo, ny aingam-panahy izany dia hery tsy voabaiko tonga ao amin’ny poeta sy ny mpanoratra izay manosika azy hamokatra kanto.

Toy izao indray kosa no andravonanay ny fomba fijery ny aingam-panahy: “Fa ny aingam-panahy No hery lehibe nanosika ahy Hanoratra…hamboraka Ny aty fo mangoraka Dia tereny koa ny saiko Hilaza izay tsy haiko Ny aingam-panahy? Hery sahisahy” VARATRAZA

Ny fahatongavan’ny aingam-panahy ao amin’ny mpanatalenta izany no ahafahana mamorona asa soratra kanto.

* NY KANTO

Ny fananan’ny mpanoratra talenta amin’ny fanoratana no mahatonga azy hamoaka zavatra miavaka sy mirindra ary ny fiezahany hikolokolo ary hampitombo izany no miteraka ny kanto. Tahaka izao no amaritan’i Siméon RAJAONA ny atao hoe kanto: “Toy ny amin’ny zava-kanto rehetra, ao amin’ ny zavakanto vita amin’ny teny dia tsy maintsy endri-javatra tsy fahita, tsy mahazatra, tsy andrasana, izany hoe

(123) (NL)RAKOTONINDRINA, Izaho atody niady amim-bato,tak72 82 mihataka amin’ ny andavanandro” .(124) Ho an’i Esther RANDRIAMAMONJY koa dia resy lahatra fa ny atao hoe kanto dia asa soratra manaitra sy mambabo ny mpamaky: “Ny maha-kanto ny asa soratra anakiray dia izy mampita hevitra ombam- pihetseham-pon’ny mpanoratra, amin’ ny fomba kanto, mahaliana sy mahasarika ny saina avy hatrany, mahatonga ny mpankafy azy ho resy lahatra amin’ny lafiny maro”. (125)

Marihina fa tsy ravoravo natentina na endrika ivelany fotsiny fa latsaka anaty toa tsoka ny kanto. Ny fisian’ny firindrana eo amin’ny endrika ivelany sy ny hevitra fonosiny, izay mahatonga ny mpamaky ho babo sy ho resy lahatra, no miteraka izany. Tsy ho tontosa anefa izany raha tsy eo ny aingam-panahy

Raha aravona ireo voalaza momba ny sehatra nirotsahana dia tsapa fa singan- javatra maro no mifandrohy sy tokony hajaina ao anatin’ny literatiora raha tiana hiantefa any amin’ny mpamaky ny hafatra. Araka izany, dia ady maro no atrehin’ny mpanoratra raha amin’ny fanandratana ny literatiora.

(124) (S) RAJAONA, Ny Zava-kanto vita amin’ny teny, OP cit, tak 14 (125) Aingam-pivoarana, laharana 6, tak7 83

TOKO 2: ADY NATAON’I NIRHY-LANTO HO FANANDRATANA NY LITERATIORA MALAGASY

“Dia hanoratra aho, Ho anao izay manirery Hanoratra aho Mba hanananao hery” VARATRAZA Sompitra natao hitahirizana ny fomba amam-panao sy ny fiheverana ny literatiora ka tsy tokony hohamaivanina. Ny tsy fanomezan-danja ny zavatra iray mantsy no hanafoana tsikelikely ny fisiany. Manana anjara biriky hoenti- manandratra ny literatiora malagasy ny poeta sy ny mpanoratra. Amin’ny alalan’ny fidirana ao amin’ny fikambanana literera sy fanoratana amin’ny teny malagasy ary fivelarana amin’ny tarakevitra isan-karazana no anatanterahana izany.

2.1.NY NANDIKANY NY TENY HOE POEZIA

Raha nitazona ny fampiasana ny voambolana poezia na tononkalo ny ankamaroan’ny mpanoratra sy ny mpandinika malagasy, i Nirhy-Lanto kosa dia namorona ny hoe: “Rindrambolana”hoenti-manondro izany. Izy io dia azo avy amin’ny fitambaran’ny teny roa hoe: Rindra sy Volana. Andeha àry hovahavaha tsirairay ny hevitra fonosiny. 84

RINDRA: Filantolantoana na fandaharana zavatra maro mba hifanaraka tsara. VOLANA: Teny atao, teny aloakan’ny vava. Azo heverina izany fa ny poezia dia fandaharana ny teny hilanto sy ho tsara. Hoy i Nirhy-Lanto Hery raha milaza ny heviny momba ny famoronan-drainy io voambolana io izy: “Raha ny momba an’ i Nirhy-Lanto manokana kosa, dia mampiavaka azy ny fampiroboroboana ny teny Malagasy, zava-miaina io, ka tsy maintsy tohofana ny mamy mba hivelatra sy handrobona… Moa tsy izy tokoa no namorona ny teny hoe: Rindrambolana hoenti-milaza ny tononkalo na ny poezia”

Hamafisin’ny “Encyclopédie Encarta” io famaritana io amin’ny hoe: “Ny poezia dia zava-kanto vita amin’ny teny, izay azo avy amin’ny alalan’ny filalaovana ny firindran’ny teny.” (126)

Noho ny fitiavany hanandratra ny literatiora malagasy dia tsy ny literatiora môderina ihany no niangaliany fa ny tranainy koa.

2.2.NY HAIN-TENY Ho an’i Nirhy-Lanto, izay nobeazina tao anatin’ny vanim-potoan’ny fanjanahantany, dia tsy zavatra mandeha ho azy ny fivelarana amin’ny sangan’asa isan-karazany, fa taratry ny fandalany ny teny malagasy sy fitiavany hisarika sokajin’olona samihafa. Marihina fa matoa ny mpanoratra manoratra dia manana ny tanjony tiana hotratrarina . Tsaroana eto ny tenin’i Jean Paul Sartre manao hoe: “Voalohany indrindra àry tsy azo isalasalana fa matoa manoratra dia mikendry ny mpamaky manokana na ny mpamaky tsy an-kanavaka” (127)

2.2.1.Famaritana ny hain-teny Samy manana ny fijeriny sy ny famaritany ny hain-teny ny mpandinika.

(126) Encyclopédie Encarta 2005 (127) Jean Paul Sartre, Qu’ est ce que la littérature, édition Gallimard, Paris, 1948, «A première vue, cela ne fait de doute : on écrit le lecteur, universel et nous avons vu, en effet, que l’exigence de l’écrivain s’adresse en principe à tous les hommes » (…) (NL) RAKOTONINDRINA, Vary Faho, Teza Boky, 2005, tak 7 85

Ohatra vitsivitsy amin’ireny no andeha atolotray: ● Famaritan’ny Rakibolana - Teny mirindra ny hain-teny. “Teny an’ohatra voaravaka ohabolana, mampiseho fahaizana sy fahakingana, nampiasain’ny Ntaolo tamin’ny fananarana na nifamalian’ny tanora nanao resa-pitiavana” (128) -Teny an’ohatra ny hain-teny “Amboaran-teny feno ohatrohatra sy tarehin-teny tsara ifamalian’ny vehivavy sy lehilahy momba ny fitiavana”. (129) Iombonan’ireo famaritana roa ireo ny maha-teny voakaly mihataka amin’ny andavanandro ny hain-teny. ● Famaritan’i Domenichini-Ramiaramanana

-Teny velona sy manara-drafitra ny hain-teny “Teny mirindra sy mari-lala ny hain-teny, teny miaina misy fiaingany sy fiatoany ary figadony manam-petra amin’ny ohatra na dia fetra sy ohatra tsy mangeja aza…” (130) ● Famaritana ara-panehoan-kevitra Ny hain-teny, dia endri-javatra azo avy amin’ny fanafoanana ny oharina valiana fanovana endri-javatra azo avy amin’ny fanafoanana ny oharina, ka mahatonga ny fisian’ny ankamantatra . I Nirhy-Lanto koa dia nampiharihary fa poezia malagasy tranainy ny hain- teny, izay manan-karena tsilalaon-teny sy mbola ahitana koa ny endrika narafitry ny fingadona ary miampy sarintsarin-drima. (131) Ny fijerinay ny hain-teny indray raha ny fomba fanehoan-kevitra dia zava- kanto miavaka ary ahitana fifamaliana. Ireo hain-teny noangalian’ny mpanoratra. Lohateniny Sehatra namoahana azy Toky sy erim-pitia Vary Faho Soa ny tiana Vary Faho

(128) RAVELOJAONA , Firaketana, tak 77 (129) (RR) RAOLISON, Rakibolana Malagasy, tak 400 (130) (BD) RAMIARAMANANA, Hainteny D’autrefois, Hainteny fahiny, Societé Nouvelle de l’imprimerie centrale,Antananarivo,1968,tak PLX (131) (NL) RAKOTONINDRINA, Vary Faho, tak 236 86

Mahatantesa valin-kitsaka Vary Faho Ny fitiavako anao Vary Faho Hain-tenintsika Vary Faho Kolokolo tsy mba vary re roy Vary Faho

FAFANA FAHADIMY Saika tara-kevitra momba ny fitiavana no voiziny ao anatin’ny hain-teny nosoratany. Ao anatin’ny hain-teny dia misy poezia, izany no mahatonga anay hamantatra ny endrika isehoany sy ny toetrany.

2.2.2.Ny endrika isehoan’ny hain-teny Amin’ny hain-teny dia ahitana fifaninanana mikaroka endri-teny kanto indrindra mba hahaliana sy hahafinaritra. Hoenti-mandrindra izany àry dia fehezanteny malefadefa-panonja sy mifandanja no ampiasaina ary tsy mivantana. Hita taratra izany amin’ny hain-teny nosoratan’i Nirhy-Lanto hoe: “Soa ny Tiana” “Kolokolo tsy mba vary re roy, ka hiteteza-matrangy mena masoandro? Efa hamatra e ny vary, ka mionona fa maintso ny ahitra Fa nahoana no manofa lamba ao anaty zavona, kanefa tsy misy mpijery, nahoana no mivazavaza an-dohariana kanefa tsy misy mpamaly? Marary ovana ny ilaozan-tiana, ka manao verimaso takariva: te-hisavika ny tsy hita ka tari-joro no enti-mandrobo. Teo anilanao izy natositosika, ka eny an- tratran’olona vao mamerovero! Misentosento ama-nenina ny mbola tia ilay (nahantany?) very rerika fa jangobo, koa toraho lamba raha very jery. Fa soa tokoa ny tiana noho ny tia. (132) Ahitana io endrika kanto ananan’ny hain-teny io ohatra, ity andalana izay nampiasany fehezanteny mitovy firafitra ity: “Kolokolo tsy mba vary re roy, // Efa hamatra e ny vary, ka hiteteza-matrangy mena masoandro // ka mionona fa maintso ny ahitra.

Misy karazany roa ny hain-teny: ny hain-teny tsoa-tokana sy ny hain-teny

(132) Gazety Valiha, laharana 7, 26 Septambra 1992 87 mifamaly. -Hain-teny tsoa-tokana: tsy misy fifamaliana fa olona iray ihany no miteny hatrany amin’ny voalohany ka hatramin’ny farany. Ireny anefa dia azo heverina ho miandry valiny. Toy izao ny petra-kevitra nataon’i Siméon RAJAONA: “Raha tena dinihina akaiky anefa, dia hita fa hain-teny toy ireny dia toa azo raisina ho sombin-kain-teny, miandry valiny, na mamaly sasiny, ka rehefa mampiady hain-teny dia mora hampiasaina azy ireny ho sasiny na ho valiny” (133) Ohatra iray amin’ ny hain-teny tsoa-tokana ity nosoratan’i Nirhy-Lanto ity : “Asakasakareo be rehaka.” “Aoka re ny avonavona, ka ny tsy an-tena avy no tadiavina, aza be dohadoha, fa ny hani-bary anie tsy mba harena! Samy zaza niara-nilalao, samy farimanga niara-nandrombona, koa aza mifampikizakiza, fa akondro vidin’anoka, tsy ho resin’ny any ny aty(…)(134)

Eto dia antso no ataon’ny mpanoratra izay toa miandry setriny avy amin’izay iantefany.

-Hain-teny mifamaly: Izy ity indray dia hain-teny ahitana antso na sasiny ary valiny na setriny. Hoy Siméon RAJAONA raha manoritroritra izany: “Ny hain-teny kosa natao hampiadiana: tsy mitohy na mifampitohy fa mifamaly, raha tsy eo ny sasiny, tsy ampy ny hevitry ny setriny, ary raha tsy misy setriny, mandeha ila sy mandringa ny hain-teny, toy ny ankamantatra misy fanontaniana fa tsy misy valiny, na misy valiny fa tsy misy fanontaniana”. (135) Santionany amin’izany ilay hain-teny nosoratanin’i Nirhy-Lanto manao hoe: “Toky sy erim-pitia”

Manana ny endrika mampiavaka azy tokoa ny hain-teny, na eo amin’ny firafiny, na eo amin’ny fomba fanehoan-kevitra.

(133) (S) RAJAONA, Takelaka notsongaina Boky I, édition Ambozontany Fianarantsoa, tak 53 (134) (NL) RAKOTONINDRINA, Vary Faho, tak 201 (135) (S) RAJAONA, Takelaka notsongaina, op cit, tak 154 88

2.2.3.Ny toetry ny hain-teny Ny fanehoan-kevitra, ny fihetseham-po ao amin’ny hain-teny dia miolaka fa tsy mivantana ka ampiasaina amin’izany ny fanoharana, ny sarin-teny sy ny tsilalaon- teny, ny ohabolana. Hojerentsika tsirairay izy ireo:

* Ny Fanoharana

Ny fanoharana na ohatra dia ampiasaina mpampiankina tahaka, ohatra, toy na toa… “Ary satria mitarehin’ankamantatra ny hain-teny, ka miolaka sy miolika mandrakariva ny fitenenana, dia mandrakariva koa an’ohatra sy am-panoharana no ahitana ny ankamaroan’ny filazan-javatra”. (136) Ahitana io fanoharana io, ity hain-teny nosoratan’i Nirhy-Lanto ity: “Ny fitiavako anao!” “Ny fitiavako anao…toy ny lamba landin’i Japana, ka tenaim-bao sy valon- tsy tonta. Toy ny vatokilonjy an-driaka; ka tsy miovan’ny oram-pahavaratra. Toy ny tongolon’Ambohimahagaga, main-drahaka fa maintso ka asakasakareo…fa raha an’olona aho nivarotanao taninketsa!” (137) Mba hahafahany mandresy lahatra ny mpamaky dia ny kianteny enti- manohatra “toy” no ampiasainy izay ampifanatrehana sy\na mampitovy ny oharina sy anoharana sy ny kianteny “ka”, hampifanatrehany ny anton-javatra sy ny voka- javatra.

* Ny Ohabolana

Ny ohabolana dia azo lazaina ho haingom-pitenenana sy paika enti-mandresy lahatra sy manamafy hevitra. Amin’ny hain-teny dia mampiditra mivantana ny hevitra tian-kambara izy io. Hita ao amin’ny hain-teny niangalian’i Nirhy-Lanto manao hoe: Mahatantesa valin-kitsaka: “Fa nidify soratr’omby isika ,ka nahoana no tsy ho faly; azon’ inona no

(136) (BD) RAMIARAMANANA, Hain-teny D’autrefois, Hainteny fahiny, op. cit tak 70 (137) Valiha, lah3, 30 Marsa 89 anateran-kira tsy handihy; ivelezan-damako tsy hihira; itsofan-tsodina tsy hisonenika an-toerana!

* Ny Sarin-teny

Ny sarin-teny indray dia filazan-javatra mihataka amin’ny andavanandro. Hoy Siméon RAJAONA: “Ny sarin-teny dia ireo fomba enti-milaza zavatra, misy endriny, mihataka amin’ny andavanandro eo amin’ny fanehoana ny hevitra sy ny fihetseham-po.” (138)

Manana anjara toerana lehibe amin’ny fampijoroana asa soratra ho kanto ny sarin-teny fa tsy natao ho ravaka fotsiny Azo sokajina ho telo lehibe ny sarin-teny: Sokajy Voalohany: Tamberin-javatra; dia -ny tamberim-peo -ny tamberim-boan-teny sy an-dian-teny -ny tamberim-pehezanteny na tamberin’andalana -ny tamberin-kevitra Ao amin’ny hain-teny dia ahitana “anaphore” Inona moa izy io? Araka ny fanamaritan-dRAJAONA Azy dia: “tamberim-boan-teny na andian-teny andohan’andalana, andohan’andininy mifanesy” (139) Ohatra: Sambatra kosa raherana manan-karena; Sambatra razorozoro manan-kijoroana, Sambatra raharefo manan-kihefohefoana, Mahantra kosa ratatamo Herintaona manodidina Ka ranomaso havozona ihany (140)

Miverina in-telo ny “Sambatra” eto mba hahafahana mampivohitra ny

(138) (S) RAJAONA, Ny Zava-kanto vita amin’ny teny, tak 14 (139) (S) RAJAONA, Ny Zava-kanto vita amin’ny teny, édition Ambozontany; Antananarivo 1993, tak 31 (140) Tantara sy Fomban-drazana, tak 124-125 90 fihetseham-po. Sokajy Faharoa: Fanovan-javatra: -ny fanovana endri-javatra -ny fanovana anarana sy synécdoque -ny fanovana fandraisan-javatra Amin’ny maha-hain-teny no resahina eto dia mibahan-toerana ny fanovana endri-javatra azo avy amin’ny fanafoanana ny oharina, hoenti-maneho ny hevitra sy ny fihetseham-po ka miteraka ankamantatra. Ohatra: Fitia tsy mila tambiny. Sokajy Fahatelo: Ireo sarin-teny hafa sisa. Maromaro ireo sarin-teny azo sokajina ao toy: -ny fifamaliana rafitra “parallélisme” -ny antithèse Ny fifamaliana rafitra: “sarin-teny ahitana fehezan-teny roa na mihoatra, mifanesy na tsy mifanesy fa mitovy tsinjara toerana ao anaty ampahan-dahatsoratra, ka mifamaly daholo ny vanim-pehezan-teny rehetra. (141)) Ohatra: Iray tampo samy hafa toetra Izy nandalo teny Ankotrokotroka // Izaho nandalo teny Ankatsakatsaka Izy nomba tery Antanatanana // Izaho teny Soanierana Voaporofo eto ny maha-poezia ny hain-teny noho izy ahitana teny voafantina sy mihataka amin’ny andavanandro. Ankoatra izany, dia mambabo ny fo sy ny saina amam-panahy ihany koa izy. Hoy i Justin RAINIZANABOLOLONA raha mamaritra ny atao hoe poezia: “(…) Ny atao hoe: poezia dia tononkira voalahatra ara-dalana, ambara amin’ny teny tsara indrindra, vita amin’ny ohatrohatra mamin’ny saina, ary raha afohezina ny filazana azy, dia hevitra tsara indrindra, izay voambara amin’ny teny mamy indrindra” (142)

Hita araka izany fa niezaka ny nampisongadina ny hain-teny tokoa i Nirhy- Lanto.Mba hahafahana mampivelatra izay bebe kokoa dia ilaina ny fidirana ao

(141) (S) RAJAONA, Zava-kanto vita amin’ny teny, op cit, tak 103 (142) (J) RAINIZANABOLOLONA, Lesona tsotsotra momba ny fianarana poezia amin’ny teny malagasy. Imprimerie FPMA, Faravohitra 1914, takila 6 91 anatin’ny fikambanana.

2.3.FIDIRANA AO ANATIN’NY FIKAMBANANA Azo heverina fa dingana iray ataon’ny mpanoratra ho fampiroboroboana sy ho fanandratana ny literatiora malagasy ny fidirana ao anatin’ireny fikambanana literera ireny. Ahoana tokoa moa no ahafahana manabe voho ny literatiora malagasy raha toa ka tsy mivondrona izy ireo? “Izay mitambatra tokoa mantsy no vato ary izay misaraka no fasika” ary “Ny mitabe tsy lanin’ny mamba.” Ao anatin’ny fikambanana mantsy dia afaka mamoaka ny sangan’asany sy mifanakalo hevitra ny samy mpanatalenta . I Nirhy-Lanto dia mpikambana mavitrika tao amin’ny fikambanan’ny poeta sy ny mpanoratra Malagasy Havatsa UPEM. Efa nisy aza fotoana naha-filoha lefitry ny fikambanana sy naha-tonian’ny fanoratana ny gazety Valiha. Natao indrindra mba habe voho ny teny malagasy izany fidirana ho mpikambana izany.

2.4.FANORATANA AMIN’NY TENY MALAGASY Isan’ireo nanampiniavana ny hampanakarena ny literatiora Malagasy i Nirhy- Lanto. Koa na avy tamin-dry zareo vahiny aza ny poezia dia niezaka izy ny hamolaka izany amin’ny teny malagasy tanteraka. Ny voambolana nampiasainy tamin’izany dia notovozina avy ao amin’ny Baiboly, teny amin’ny tontolo ambanivohitra, tenim-paritra…sns Ohatra: Jesoa, jangobo, hamatra Marihina fa tsy nanoratra poezia tamin’ny teny vahiny izy. Hita taratra amin’izany ary fa te-hampiroborobo ny literatiora malagasy ny mpanoratra

Niezaka nametraka ny literatiora tamin’ny toerana sahaza azy tokoa i Nirhy- Lanto. Sehatra maro no nirotsahany tamin’izany. Niady mafy izy ny mba hampitovy lenta azy ireo. Asehony izany amin’ny alalan’ ny ”Adin’ny praozy sy poezia”. TOKO 3 : ADIN’NY PRAOZY SY NY POEZIA Izy ity dia asa soratra miendrika teatra izay mirakitra ny fomba fijerin’ny 92 mpanoratra ny literatiora môderina. Hovahavahana amin’ity toko ity àry ny famaritana izany, ny firafiny, ny vontoatin-keviny ary ny lafiny maha-kanto azy.

3.1.FOMBA AMARITAN’I NIRHY-LANTO NY PRAOZY SY NY POEZIA AO AMIN’ITY SANGAN’ASANY ITY Mety hafangaron’ny olona, na koa mety hanjavozavo aminy ny atao hoe: poezia na ny prozy. Avahan’i Nirhy-Lanto mazava ary ny fahasamihafany azy roa ireo. 3.1.1.Famaritany ny atao hoe: praozy Ny praozy dia teny voalahatra: “Teny voalahatra, am-bava na an-tsoratra, ampiasaina andavanandro ary misononoka fatratra, fa tsy voafatopato-pitsipika sady ifamahofahoan’ny teny an’ohatra amana ohabolana” (143) Ambarany ihany koa fa ny praozy dia midika ho lahateny: “I lahateny, tompo. Nefa nony tonga ny vazaha dia nadikany hoe: prose”(144). Aminy izany, dia efa nisy teto Madagasikara hatrizay ny praozy fa tsy zavatra vao nampidirin’ny vazaha teto. Tsy mifanalavitra amin’io famaritana omen’i Nirhy-Lanto io ny famaritan’ny Rakibolana ny atao hoe prozy: “endrika tsotra eo amin’ny lohateny am-bava na an-tsoratra; ny praozy dia lahateny tsy fehezin’ny lalana amam-pitsipika”. (145) 3.1.2.Famaritany ny atao hoe: poezia Ho an’i Nirhy-Lanto ny atao hoe poezia dia zava-kanto manara-drafitra: “Asa soratra narafitra sy narindra amin’andalana sy amin’andininy, fehezam-pitsipika amin’ny fingadona sy amin’ny fiadiana rima; teny Malagasy madiorano no ao anatiny, ary izay fonosiny mandrakariva dia ventsoventso mampisondrotra fanahy sy mampamelovelo fo.” (146) Aminy izany, ny poezia dia tsy ataotao fahatany fa misy fitsipika sy rima arahina eo amin’ny endrika ivelany ary ny vontoatiny, dia manandratra ny fanahy sy manetsika ny fo. Izany fiheverana izany dia iombonany amin’i :

(143) (NL), RAKOTONINDRINA, Vary Faho, tak 235 (144) (NL), RAKOTONINDRINA, Vary Faho, tak 233 (145) Encyclopédie Encarta 2005, prose: forme ordinaire du langage parlé ou écrit. La prose serait le discours non soumis aux régles prosodiques. (146) Cf , supra note 93

“Ny hira dia famborahana ny fihetseham-po aman-tsaina sy fientanam- panahy eo anatrehan’ny hatsaran-tarehy”(147) Manaraka izany, mihevitra koa i Nirhy-Lanto fa nofy sy vetsovetso no loharano ipoiran’ny poezia: “Sady teraka aho (poezia) no monina ao Ivohitrininofy, ihany, (…), firaisan’Ambohivetsovetso ary fivondronam-pokotanin’ i Manakadanitra” (148) Anterin’i ARNI izay fiheverana izany amin’ilay tononkalony mitondra ny lohateniny hoe: “Vinany” Ilay eritreritro iny lasana miampita, Nitetitety tany, hitady ilay tsy hita Mikarenjy hatrany, miampitampita vohitra Toa nofinofy izany nefa tsy voatohitra

Ambarany fa mpandrakitra fotsiny sy mpitatitra ireo zava-misy eo anivon’ny fiarahamonina amin’ ny alalan ny nofy ny mpanoratra.

Ity tanako ity, manoratra hatrany Mandrakitra an-takelaka ny feonao ry tany Ny ako sy ny feon’ny nofinao rehetra Dia indro fa voasoratra ary tafaoetra .(149)

(147) Tovozin-tsy ritra, Boky fahadimy, tak 99 (148) (NL), RAKOTONINDRINA, Vary Faho, tak 234 (149) SANDRATRA, Amboara Voalohany, 1988, tak 4 94

3.2.FIRAFITRY “NY ADIN’NY PRAOZY SY POEZIA”

3.2.1. Ny endrika ivelany Izy ity dia asa soratra miendrika teatra, ka ahitana fizarana tokana fa ny seho no maromaro. Tsy marihin’ny mpanoratra mivantana anefa izany fa ny fiovan’ny mpandray anjara no manamarika azy. Ohatra: Fidirana sy fivoahan’ny mpitsara.Fahita izany amin’ny teatra ankehitriny. Manaraka izany, amin’ny ilany havian’ny takila dia ahitana ny anaran’ny mpandray anjara sy ny fanamarihana aman-torolalana omen’ny mpanoratra ny mpisehatra, izay ataony ao anaty fonon-teny. Ohatra: (miteny mafy), (miato), (mivoaka), … Ankoatra izany, ity tantara ity dia efa nolalaovin’ny mpikambana tao amin’ny Havatsa UPEM tao amin’ny fahitalavitra ho fankalazana ny roa andro ho an’ny teny Malagasy. Noho izany tanteraka ireo fepetra maha-teatra ny teatra. Hoy RAZOHARINORO: “Ny teatra dia fitambarana zavatra teloloha dia : ny tantara lalaovina, ny sehatra ilalaovana ary ny mpijery na mpanatrika. Raha tsy misy ny iray amin’ireo dia tsy misy ny teatra”. (150)

3.2.2.Ny endrika anatiny Ao anatin’ity tantara ity dia ahitana olana fototra eo am-piandohana; dia ny fiadian’ny praozy sy ny poezia voninahitra, izany hoe samy te-ho ambony. Eny anelanelan’ny seho eny anefa dia miezaka ny hifandresy lahatra ny andaniny sy ny ankilany ka miteraka ny fisian’ny olana masay sy vahaolana masay. Tamin’ny farany anefa dia hita ihany ny vahaolana fototra. Tsy inona izany, fa ny fifamelana sy fifankatiavan’ny poezia sy ny praozy izay tanterahina amin’ny alalan’ny famoahana mitovy an-gazety, ireo asa soratra ireo.

3.3.IREO MPANDRAY ANJARA

(150) RAZOHARINORO, “Ny niandohan’ny teatra teto Madagasikara”, Tantara, 1987, laharana 11, tak 87 95

Tantara mihetsika ny teatra noho izany hita mivantana avokoa ny fihetsika sy ny fombafomban’ny mpisehatra. Fantatra amin’ny endriny, ny teniny ary ny fihetsiny, ny fihetseham-po iainany ka mahatonga ny mpijery hiombom-po, saina amam-panahy aminy. Ny fahitana mivantana ny toe-javatra iainan’ny fiarahamonina, amin’ny alalan’ny fampisehoana teatra dia mety hahatonga fiovan-toetra eo amin’ny mpijery ihany koa. -Ny mpandray anjara fototra: Ny praozy sy ny poezia no mpandray anjara fototra, noho izy ireo ifantohan’ny tantara manontolo ka tsy misy singan-javatra hafa mifanipaka aminy. Izany indrindra no nahatonga ny lohaten’ny asa soratra hoe: “Adin’ny praozy sy ny poezia”. -Ny mpandray anjara mpanampy. Eto ny mpandray anjara mpanampy dia: Huissier, Prezida, Mpisolovavan’ny prozy sy ny poezia, ireo vavolombelona noho izy ireo nisy fifandraisana mivantana amin’ny mpandray anjara fototra.

-Ny mpandray anjara ravaka na tselika. I Rado, i Celéstin ANDRIAMANANTENA: nampidirina izy ireo mba hahatonga ny tantara ho azo inoana, satria matetika dia olona fantatra, na malaza no fidina amin’izany.

3.4.NY FAMINTINANA NY TANTARA SY NY VONTOATIN- KEVITRA Mba hampazava tsara ny tantara dia hofintinina eto izany ary hatsidika avy eo ny vontoatin-kevitra.

3.4.1.Ny famintinana ny tantara Samy niady ny ho lohany avy na ny praozy na ny poezia. Noho izany, dia nifanendrikendrika sy nifanoso-potaka izy roa tonta, ka dia tonga hatreny amin’ny fitsarana ny ady. Nandritra ny fotoam-pitsarana, dia samy niezaka ny andaniny sy ny ankilany ny hanamarin-tena. Mba hampiravona ny disadisa, ny fitsarana dia nandidy ny praozy 96 sy ny poezia hifamela sy hifankitia. 3.4.2.Ny vontoatin-kevitra Ao anatin’ity sangan’asany ity dia tian’i Nirhy-Lanto ny hampihasinkasina, fa samy manan-danja eo amin’ny literatiora Malagasy, na ny poezia, na ny proazy, noho izany dia tokony samy homena ny anjara toerany sy sehatra ivelarany avy, fa tsy ho “avakavahana tahaka ny ketsa na ho soritsoritana tahaka ny volo”.

Ny fisian’ny firindrana eo amin’ny endrika anatiny sy ivelan’ity asa soratra ity no mahatonga azy ho kanto.

3.5.NY LAFINY MAHA-KANTO ITY ASA SORATRA ITY Azo lazaina ho maha-kanto ity asa soratra ity ny fahaizan’ny mpanoratra nifantina ny teny nampiasainy, izay tsapa fa mifanaraka tsara amin’ny toetran’ny mpandray anjara sy ny toerana misy azy eo anivon’ny fiarahamonina. Hoy i Simeon RAJAONA: “Ny Zavakanto vita amin’ny teny dia tsy maintsy misy endrin-javatra tsy fahita, tsy mahazatra, tsy andrasana, izany hoe mihataka amin’ny andavanandro” (151) Ho vahavahana tsirairay eto ny maha-kanto ity asa soratra ity: -Fifidianana voambolana Voambolana isan-karazany no nampiasainy: tao ny voambolana vahiny, tao ireo nogasiana. Ireo voambolana vahiny: Huissier, prose… voambolana nogasiana: prezida, praozy, poezia. voambolana Malagasy tsy fampiasa andavanandro: misononoka, karajia, rofatra ho nampalesina, sahy hisahato, rabaraba… Marihina fa mandritra ny tantara dia tsapa ny fisian’ny don-tany sy kapo- tandroka. Toy izao no amaritan’i Régis RAJEMISA azy ireo: “Fiampangana olona mivantana izao ho nanao zavatra iray, mba hitsapana azy na nanao tokoa na tsia” (152)

-Fampiasana fombam-pitenenana sy ohabolana

(151) (S) RAJAONA, Ny zava-kanto vita amin’ny teny, tak 14 (152) (R R) RAOLISON, Rakibolana Malagasy, tak177 97

Mahaliana ny fampiasan’ity mpanoratra ity fombam-pitenenana sy ohabolana izay nasiana fanamboarana: Ohatra: “Fa na manify aza ny marina: Ny marina dia hoatra ny vato somotra, Ka izay ametrahana azy marina avokoa, Ny marina toy ny ombalahy am-pandronjinana, Ka tsy folaka anio ary tsy maty rahampitso” (153) Eto dia manaitra ny fandokoany ohabolana mifanesy ny asany mba hahatonga ny mpamaky ho resy lahatra.

-Fampiasana sarin-teny Ny fahaizan’ny mpanoratra milalao amin’ny sarin-teny dia paik’ady izay hambaboany ny mpamaky sy hanairany azy ireny mba hankafy ny asa soratra. Araka ny filazan’i Siméon RAJAONA hoe: “(…) Anisan’ny maha-zavakanto ny asa soratra ny sarin-teny (…) (154) Azo sokajina ho 3 ireo sarin-teny nampiasain’i Nirhy-Lanto: ■ Ny sarin-teny miorina amin’ny fanovana endri-javatra. Amin’ny maha teny ny praozy sy ny poezia nefa nomena endrika ho toy ny olombelona miaina dia mibahan-toerana ny sarin-teny fanafoanana endri-javatra. Tsy mivantana fa an’ohatra ny tian’ny mpanoratra hambara mba hahatonga ny mpamaky hanaka-kevitra. ■ Ny tamberin-javatra dia sarin-teny enti-milaza ireo andian-teny na teny miverimberina ao anatin’ny andalana na ny andininy. Mety hiseho indroa na mihoatra izany fiverimberenana izany. Natao izany mba ho fanantitranterana ny fihetseham-po mibosesika manoloana ny trangam-piainana, kanefa mety hifono hafatra na hevitra tian’ny mpanoratra hampitaina ihany koa. Ohatra: Tsy hilaza afa-tsy marina aho, dia ny marina ihany, fa: Ny marina mandresy lahatra; Ny marina no hany vahatra; Ny marina tsy maty mianefitra; Ny marina tsy fola-mandefitra.

(153) (NL), RAKOTONINDRINA, Vary Faho, tak 234 (154) (S) ,RAJAONA, Ny zava-kanto vita amin’ny teny, édition Ambozontany, Fianarantsoa, tak 14 98

Nampiasa tamberin-teny andohan’andalana eto ny mpanoratra hanantitraterany ny marina izay tiany haseho. “ Anaphore”tamberim-boan-teny na tamberin’andian-teny an-doham-pehezan-teny, na an-dohan’andalana, an-dohan’andininy misesy. ■ Ny sarin-teny hafa sisa Fahita ampiasain’ity mpanoratra ity koa ny sarin-teny ahitana fifamaliana rafitra “parallélisme”: “sarin-teny ahitana fehezan-teny roa na mihoatra mifanesy, na tsy mifanesy fa mitovy tsinjara toerana ao anaty ampahan-dahatsoratra, ka mifamaly daholo ny vanim-pehezan-teny rehetra”.(155) Izy io dia enti-mandresy lahatra ny mpamaky. Ohatra : Ny praozy milaza azy // ho tsy mitsaha tsy feno; Ny poezia kosa midika // ho tsy mitondra tapany. Tsapa àry fa manana ny fomba fanehoan-kevitra mihataka amin’ny andavanandro tokoa ny hain-teny. Mpanan-talenta nanam-pikirizana tamin’ny fampivelarana ny literatiora malagasy i Nirhy-Lanto. “Ny bainga voavadika, moa, no vavolombelon’ny mpiasa” ka dia nasehony izany, tamin’ny alalan’ny famoahany ny asa sorany, na maro aza ireo sakantsakana nisy. Teo ihany koa ny fiangaliany ny literatiora isan-karazany. Manaraka izany dia nabaribarin’ny mpanoratra tamin’ny fomba kanto tao amin’ilay asa sorany hoe “Adin’ny praozy sy ny poezia”fa samy tokony homena lanja na ny poezia na ny praozy. Azo sintonina avy amin’izany, fa te-hampanan-karena ny literatiora Malagasy tokoa izy. Tsy nijanona teo amin’ny sehatry ny literatiora ihany anefa ny endrika isehoan’ny “atody niady amim-bato” fa niitatra teo amin’ny fiainam-pirenena.

(155) (S)RAJAONA, Ny zava-kanto vita amin’ny teny, tak103

FIZARANA FAHATELO : ENDRIKA ISEHOAN’NY “ATODY NIADY AMIM-BATO” TEO AMIN’NY FIAINAM-PIRENENA 100

TOKO 1: ADY NANDRITRA NY FANJANAHANTANY

Raha zohina ny fiainan’i Nirhy- Lanto dia niaina tao anatin’ny vanim-potoana roa samy hafa izy: ny vanim-potoan’ny fanjanahantany sy ny fahaleovantena. Samy nanehoan’izany lehilahy izany, ny fitiavan-tanindrazana tao anatiny, ireo vanim-potoana roa ireo, no sady nitolomany tamin’ny tsy rariny. Vao mainka koa niharihary ny endrika isehoan’ny “atody niady amim-bato”, nandritra ny fanjanantany izay naha-very tanteraka ny fiandrianam-pirenena. Lafin-javatra maro no niaretan’ny Malagasy tamin’izany. Tsy nianina fotsiny tamin’izao, na nanao “ toy ilay Rafotsibe very laona”, anefa, ireo tia tanindrazana Malagasy, fa niezaka ny hanafaka ny Taniny. Ho fanatratrarana izany tanjona izany dia nanangana fikambanana miafina izy ireo. 1.1.TSIAHY MOMBA NY FANJANAHANTANY Ny 06 Aogositra 1896 no lasa zanatany Frantsay i Madagasikara, noho izany dia niova ny rafi-pitondrana nisy: Ireto avy ireo Goveronora nifandimby nitondra teto: Ny taona 1896-1905 : Joseph Simon Galliéni Ny taona 1905-1910 : Victor Augagneur Ny taona 1910-1915 : Albert Picquié Ny taona 1920-1923 : Hubert Garbit Ny taona 1924-1930 : Marcel Olivier Ny taona 1929-1939 : Léon Cayla

Raha ny teo amin’ny lafiny ara-toe-karena indray dia noterena hamokatra ho an’ny mpanjanaka ny zanatany. Notrandrahany avokoa na ny harena an-dranomasina, na an-tanety, na an-kibon’ny tany. Nampiharina teto koa ny SMOTIG (Service de la Main d’Oeuvre pour les Travaux d’Interêt Général), izay nampanaovana asa mafy ny Malagasy ho tombontsoan’ny Frantsay. 101

Marihina fa tsy teo amin’ny lafin’ny pôlitika sy toe-karena ihany no voazanaka ny Malagasy, fa teo amin’ny lafin ‘ny toe-tsaina koa. Ny fahatsapan’ireo tia tanindrazana izany no nahatonga azy ireo hivondrona tao anatin’ny fikambanana mitaky ny fahaleovantena.

1.2.NY FIKAMBANANA MIAFINA PANAMA SY MDRM Nanana faniriana ny hanafaka an’i Madagasikara teo ambany vahohon’i Frantsa i Nirhy-Lanto porofon’izany ny nidirany tao anatin’ny fikambanana izay mitaky fahaleovantena dia ny PANAMA sy ny MDRM.

Andeha hofantarina misimisy kokoa ny mombamomba ireo fikambanana ireo.

1.2.1.NY fikambanana miafina PANAMA

Ny PANAMA dia fanafohezana ny hoe: “Parti Nationaliste Malagasy” izany hoe Fikambanana Tia Tanindrazana Malagasy. Izy io dia fikambanana miafina, noho izany tsy dia mifakahalala ny mpikambana. Raha hiditra ho PANAMA dia misy fombafomba atao; hoy i Nirhy-Lanto: “Nataonay roa lahy ny fombafomba rehetra fidirana sy ny fianianana niantsoana ny anaran’Andriamanitra: novelarina ny baiboly ary novakiana ny bokin’ny Fitomaniana Toko fahadimy, andininy voalohany ka hatramin’ny fahadimy: -fianianana: hanompo ny firenena malagasy eo ambany fitahian’Andriamanitra; -zava-kendrena: fitiavana ny mpiray firenena, fianarana ny tantarany, fanentanana ho amin’ny fahatsiarovan-tena, fanatontosana ny asa sy adidy rehetra miankina amin’ny fanompoam-pirenena; tsy miandry baiko amin’ izany rehetra izany -fitandremana: izay mahatoky sy azo antoka ny fitiavan-tanindrazana ao aminy no azo raisina ho mpikambana, fanajana ny tsy fifankahalalan’ny mpikambana (…) Tsy misy fe-potoana ny hasin’ny fianianana na inona na inona asa atao mandritra ny fotoana hahavelomana. Mandra-maty !(156) Azo heverina fa izany no nahatonga an ‘i Nirhy-Lanto hitolona nandritra ny

(156) (NL)RAKOTONINDRINA, Izaho atody niady amim-bato ,tak 33 102 fiainany manontolo.

1.2.2.Ny fikambanana MDRM Ny MDRM dia fanafohezana ny hoe: “Mouvement Démocratique de la Rénovation Malagasy ny dikany amin’ny teny malagasy dia: Fihetseham-bahoaka ho Fanavaozam-pirenena Malagasy » (157) Tamin’ny 22 Febroary 1946 no niforona tany Paris ny MDRM. Malagasy fito lahy no niara-nanangana azy io, dia ireto avy: -Raseta Joseph -Ravoahangy Joseph -Razafindramasina -Raherivelo Ramamonjy -Rakoto Ratsimamanga Albert -Rabemananjara Jacques -Rabemananjara Raymond Toy izao no firafitry ny birao tany Paris: - Président: Raseta Joseph -Sekretera Jeneraly: Rabemananjara Jacques -Sekretera mpanampy : Rabemananjara Raymond Ireto indray kosa no voafidy hitondra ny MDRM teto Madagasikara : -Prezida: Andriantsifahaona -Lefitra : Ranaivo Jules sy Razafindratandra Randrama Zo -Sekretera Jeneraly : Rakotonirainy Joseph -Sekretera Lefitra : Rabenja Alfred sy Rabeantoandro -Mpitahiry vola : Robert -Mpiara-miasa : Ranaivo Paul, Ratsarazaka Zanvier, Pasitera Tata, Razafindralambo Ny biraon’izy ireo dia tao Soarano. Ny tarigetran’ity fikambanana ity dia ny fitakina ny fahaleovantena amin’ny alalan’ny rariny sy ny ara-dalana. Marihina fa nahazo olona maro ity fikambanana ity. Manamarina izany i Andry Andraina raha nilaza fa:

(157) (J ) RAKOTONIRAINY , Ny marina momba ny MDRM, collection antson’ny Nosy, Printy Iarivo, tak 7, Aogositra 1966 103

“fotoana fohy fotsiny anefa dia efa fantatra eran’Antsihanaka ny M.D.R.M. Ny vohitra faran’ izay madinika na lavi-dalana, nahalala ny anarany daholo.( …) Betsaka ny olona niditra. Hita izany tambanivohitra lavitra tsy mahalala atsimo sy avaratra amin’ny raharaha pôlitika izany, nanatona lehiben’ny kantao, na mpiadidy, na mpanao varo-mandeha, ka nanao hoe: “soraty deremo izahay” na “ahoana no fidirana amin’ny antokon- dRavoahangy ” (158) Isan’ny mpikambana tao amin’ny M.D.R.M. koa i Nirhy-Lanto ary tao anatin’ny mpanorina sy mpitarika nafana fo tao Ankazobe. Fantany sady tsinjon’ny mpanjanaka fa tsy maintsy ho votsotra ny Malagasy indray andro any, ka nampiasa tetika izy mba handravana ny M.D.R.M. sy hampizarazarana ny Malagasy (ny afovoan-tany sy ny amoron-tsiraka). Noho izany, namorona ny PADESM (Parti Désherité Malgache) izy, ny volana Jolay 1946. Tamin’ny taona 1947 dia nenjehina sy nosamborina ary natao vono moka ireo mpikambana tao amin’ny M.D.R.M. ary ny taona 1948 dia nofoanana tanteraka ny fikambanana.

1.3.RAHARAHA 1947 Raha ny antony nampipoaka ny ady tamin’ny 29 Martsa 1947 no asian-teny dia tsy mitovy ny hevitra ny mpandinika. Misy ny milaza fa ny vazaha izay te handrava ny M.D.R.M no tompon’andraikitra tamin’iny, ao indray ireo manambara fa ny Malagasy izay leon’ny tsindrihazolena no tompon’antoka tamin’izany. Raha iverenana tokoa mantsy ny zava-nisy teto Madagasikara taorian’ny ady lehibe faharoa dia tahaka izao: Vokatry ny ady dia sahirana ny Frantsay. Noho izany, dia nentaniny ny zanatany mba hiara-manarina ny toe-kareny. Ka dia namboarina hifanaraka tamin’ny izay nilain’ny mpanjanaka ny vokatra teto Madagasikara. Nihamafy ny fanerena ny Malagasy hiasa sy hamokatra voly fanondrana toy ny: kafé, vanila,… nefa ny vidiny ividianan’ny mpanjanaka azy dia mirary. Ireo zavatra nilaina teo amin’ny fiainana andavanandro anefa nisondro-bidy aoka izany.Eto dia tonga ao an-tsaina avy hatrany ny fitantaran’i Andry Andraina ny zavatra niainan’ny olona tamin’izany:

(158) ANDRY ANDRAINA (pseudo), Mitaraina ny Tany, Librairie Mixte, Antananarivo, 2000, tak 195 104

“Volana vitsivitsy taorian’ izany (ady lehibe faharoa) tonga tao Marovato koa, (…) ny akon’ny ady: tsy nisy ny zavatra fampiasa amin’ny fiainana andavanandro. Tsy hita teo an-toerana ny sira, ny siramamy, ny savony, ny solitany, ny sigara, ny kahie, ny lamba,…(159)

Natsangana ny “réquisition” izay fanerena ny olona hanao zavatra tsy sitra- pony. Naorina koa ny “office du riz” izany hoe famarana ny vary hohanin’ny fianakaviana ka ny ambiny alain’ny fanjakana.Tahaka izao no niainana izany araka ny voalazan’i Andry Andraina: “Tamin’ny voalohany, nisy teny midina nilaza fa ny vary akotry rehetra dia tsy maintsy amidy amin’ ny fanjakana (…) Taorian’ izay, tonga indray ny filazana fa tsy misy mahazo mitoto vary intsony ny olona, fa ny vary hohanina dia fotsimbary vidina avoakan’ny fanjakana. Nafenina daholo teo ny laona sy ny fanoto. (…) Tsapan’ny fanjakana fa tsy mandalo eo am-pela-tanany manontolo ihany ny akotry vokatra eo amin’ny faritany. Noho izany, nandefasany iraka hizaha ny vary maintso eny an-tanimbary, hanombanany ny akotry tokony hiakatra amin’iny maniry iny, dia izay tombana izay no takina amin’ny tompon’ny tanimbary rehefa tonga ny fararano. Tamin’izany fotoana izany mantsy, heno fa mila vary betsaka ry zareo Frantsay, ho an’ny mponina, ary indrindra ho an’ny miaramila. Naondrana ny ankabeazan’ny varin’ i Madagasikara noho izany.” (160)

Toy izao kosa no fitantaran’i Nirhy-Lanto izany: “Ratsy ny fizarana isan-tokantrano ny vary akotry ho an’ny Office du riz, ka izay tsy manana ny ampy dia voatery nanavotra hatrany amin’ny 2 frs ny kilao kanefa dia hamidy 0,80 frs na ambanin’izany amin’ny mpanangom-bary” (161) Noho ireo antony ireo no lazaina fa nampipoaka ny raharaha 1947, ka nahatonga ny Malagasy hiaran-javatra maro.

(159) ANDRY ANDRAINA, Mitaraina ny Tany,op. cit tak 114 (160) ANDRY ANDRAINA, Mitaraina ny Tany,op .citTak 123,124 (161) (NL)RAKOTONINDRINA, Izaho atody niady amim-bato, tak 37 105

Nandritra ny raharaha 1947 dia niharan’ny fampijaliana sy habibiana ny Malagasy. Ampahany tamin’ny zava-nisy ny kalesim-dalambin’i Moramanga. : “Indray alatsinainy maraina vao mangiran-dratsy, fanamafisam-peo no niantsoana ny anaran’ireo valopolo amby zato lahy teo am-bavahadim-ponja. Izay voatonona anarana dia nandroso ary niakatra tao anaty fiara fitaomana efa niatrana teo: Nisy tamin’ ireny mbola nifatotra tady, na tariby, na rojo ny tanany. Kalesimby fitondrana omby no nampidirana azy tao amin’ny gara.(...) Alina no niditra teo amin’ny garan’ i Moramanga ilay lohamasinina nitarika kalesy telo miloko volon-davenona, feno olona an-dalam-pahafatesana. Tsy nisy nahalala izay nahita fa ireo sangan’ Ambatondrazaka sy faritany no tao anatin’iny. Tsy nihoatra an’i Moramanga ireo olona nanantena hiakatra an’Antananarivo. Natao vono valala tao Moramanga ireo nihevitra ny ho afaka ny vono mokan’Ambatondrazaka. Tafondro marovava laharana iray no namelezana ireo mpifatotra tao anatin’ny kalesy nisy azy, tafondro iray. Hita nanao tohi-vakana ny laodaoka nitarika tamin’ny rindrin’ny kalesy, niverina fanindronany indray mba ho azo antoka fa maty daholo izy rehetra. (…)

Nony nosokafana ireo kalesy izay nogadraina tany am-piaingana, hita ireo velona ranga maso, nivandravandra, nifangaro amin’ny fatin’ireo namany izay vatana rotidrotika, loha sy sampana torotoro sisa, nanindrintsindry sy namatopatotra azy ireny ary nameno ny tenany sy ny fitafiany ra, ditsaka, diky sy betro niparitaka. Ny afakampitson’ny nahatongavana, navoaka indray ireo sisa tsy maty ary nalahatra nijoro amoron’ny hadilalana iray vao nohadina. Tafondro marovava indray koa no namelezana ireo. (162)

I Nirhy-Lanto koa dia isan’ireo niaritra ny tsindrihazolenan’ny mpanjanaka. Toy izao ny fitantarany izany:

“Ny ampitso hariva vao tonga tany Antananarivo izahay [raha avy nandao an’i Tsiroanomandidy toerana nanendrena azy hiasana]. Nentin’ilay Garde Indigène nanatitra ahy teny amin’ ny Hotel de Ville aho hatory any amin’ny cellule ka ny

(162) ANDRY ANDRAINA, Mitaraina ny Tany, tak 245,246 106 ampitso maraina indray vao hanohy ny dia ho any Ankazobe. Tehamaina sy daka ary karavasy niantefa teny amin’ny moron-tongotry ny pardesia nanaovako no namelezan’ny commmissaire ahy. Pôlisy kômôrianina no nanatitra ahy tany amin’ny cellule rehefa avy namakivaky efitra lehibe feno olona maradratra sy mandry amin’ny tany izahay”. (163) Na teo anefa izany fampijaliana azy izany dia tsy nataony hampifararemotra azy. Porofon’izany ity valin-teniny feno fahasahiana ity: -“Inona no hataonareo, araka ny hevitrao, rehefa mahaleo tena ianareo?” Hoy ny “Juge d’Instruction” -Azafady, hoy aho, nanopy maso kely teny aminy sy teny amin’ilay mpitan- tsoratra, mba soraty mihitsy amin’ny teny Malagasy izao valin-teniko izao ka ho hitako raha tena ny hevitro marina no horaisinareo: “Hanao izay haha-Malagasy ny Malagasy no Tanjonay”(164) Roa taona an-tranomaizina sy sesitany dimy taona tany Ambositra no sazy nefain’i Nirhy-Lanto. Noraketiny tamin’ny alalan’ny tononkalo moa ny toe-javatra niainany tao amin’ny fonjan’ny Antanimora. Ny lohatenin’io tononkalo io dia “Torimaso tany am- ponja”.

Nahatsiaro voahelingelina sy sorena izy tao am-ponja, ka tsy tafandry mandry noho ny embona sy hanina. Faniriny lalina tao anatiny tao mantsy ny hahazo fahafaha- miverina sy hiaina ankalalahana amin’ny fiarahamonina mahazatra azy:

Sento sy tsiahy lalina No tsapa mandritry ny alina ! Nisondrotra ery ny rako Fa hira no re manako, Midera amim-pivavahana Ny noelin’ny fahafahana, Izay hay mba hambara moa Ho an’ny voafonja koa

(163) (NL)RAKOTONINDRINA, Izaho atody niady amim-bato, op. cit tak 40 (164) (NL)RAKOTONINDRINA, Atody niady amim-bato, op cit tak 42 107

Vokatry ny fisarahana sy ny fijaliana niaretany tao am-ponja, dia nitamberina sy nibosesika tao anatiny ny fahatsiarovana ireo lasany sy ireo havany aman- tsakaizany, saingy tsy afa-nanoatra izy: Tsaroako manalonalona Ny lasana izay nivalona. Tsaroako ny takona any… Izay mbola lalaiko ihany! Injany ny fo fa fanina, Ka ny embona sy ny hanina Mandaroka ny eto am-ponja Dia izay nanonjanonja!

Manoloana io toe-javatra iainany io anefa, dia niezaka izy ny hionona, na dia tsy afaka nankalaza ny NOELY niaraka tamin’ny fianakaviany aza .Tsy nahasaka ny saina amana eritreriny tsy hiara-midera an’Andriamanitra niaraka tamin’ny fianakaviany anefa izany fangeja azy izany. Marihina mantsy fa isan’ny fety nankafiziny tokoa izy ity hatramin’ny fahakeliny. Koa ankoatra ny fisarahana izay niaretany, dia vao mainka koa nampitombo ny alahelony izany tsy fiaraha-nifety tamin’ny havany izany.

Dia nentin’ny nofinofiko, Ka reko sy teo an-tsofiko, Ireo hira fanaonay Izay zary tsaroako indray Na toa aza tafasaraka, Inoako fa indray miaraka Ny feonay na dia iva kely Midera ity andro noely! 108

Mba hahafahany manadino sy manamaivana ny fahoriana mitambesatra aminy,dia ny fandefasana ny vetsovetsom-po sy fihirana no vahaolana noraisiny. Ho azy dia azo lazaina ho fandresena lehibe ny tsy fahafahan’ny mpanjanaka mihazona ny saina amam-panahiny:

Ny tany natao hodiaviko, Voafetra ka dia tsy laviko. Ny hidy nampian-tamboho Dia geja sy toa vahoho Ny tenako no azo tanana Sy azonareo sakanana: Ny molotro sy ny saiko Mihira tsy mila baiko (165) Raha jerena ny rima nampiasain’ny mpanoratra eto dia rima mifanjohy( a a – b b – d d – e e).Ny antony nampiasany io karazana rima io, dia ny mba hahafahany mampifanjohy ny hevitra roa tsy afa-misaraka. Rehefa te-hanigotra ny fo amam- panahin’ny mpamaky kosa izy dia matetika no rima mifaningotra no ampiasainy(ab- ab).

Ohatra: Ny fo mifanaiky hikambana Ho rafitra tokana irery Imason’ny fefy manambana Dia hery tsy resin’ny hery (166) Marihina fa raha ny tantaran’ny literatiora no iaingana, dia notovozina avy amin-dry zareo Tandrefana, ny filalaovana amin’ny alalan’ny rima. Saika miady rima avokoa ny tononkalo nosoratan’i Nirhy-Lanto. Niangaliana koa ny rima mifampisakambina (a b- b a)

Ohatra: Malomaloka ny tazana Ka ny ringingin-tendro Toa mitafy fendrofendro

(165) (NL)RAKOTONINDRINA, Rindrambolana, op. cit, tak 33 (166) (NL)RAKOTONINDRINA, Rindrambolana, tak 41 109

Zary hafa fa tsy ngazana (167) Hita eto ny maha-poeta kinga an’i Nirhy-Lanto tamin’ny fahaizany naneho ny zava-nisy niainany tao anatin’ny fanjanahantany tamin’ny alalan’ny rima nifandraika amin’izany.

Maro ireo toe-javatra nitoloman’i Nirhy-Lanto nandritra ny fanjanahantany. Ankoatra ny fitakina ny hiveren’ny fiandrianam-pirenena indray,dia teo koa ny ady hameloman-tsoratra ny maha-malagasy.

TOKO 2: ADY HO FAMPIJOROANA NY MAHA-MALAGASY Toy ireo mpanoratra tamin’ny vanim-potoana mitady ny very (1930-1945), izay nanana hetaheta ny hamerina ny maha-malagasy, i Nirhy-Lanto koa dia nanao izay ho afany, ka niezaka izy ny hiaro ny teny malagasy, hitahiry ny tantaram- pirenena, hiaro ny kolon-tsaina sy ny Tanindrazana.

2.1. NY FIAROVANA NY TENY MALAGASY Ny teny malagasy dia iray fototra amin’ny faritra Indonezianina. Tamin’ny alalan’ny sorabe no nanoratana azy voalohany tao Vohipeno, ary ny katibo no mpanoratra. Ny 04 Desambra 1648 no tonga tao Fort-Dauphin i Charles Nacquart sy i

(167)( NL)RAKOTONINDRINA, Rindrambolana, op. cit , tak 31 110

Nicolas Condrée, misionera katôlika lazarista. Vaindohan-draharahan’izy ireo ny fanoratana katesizy ampianarina ny olona ny fivavahana kristianina. Tamin’ny teny malagasy anefa no tsy maintsy nanaovana ny fampianarana rehetra. Navoakan’i Etienne de Flacourt ho boky io katesizy io, ny taona 1657. Io no teny malagasy nosoratana tamin’ny ventin-tsoratra latinina .(168) Ny 26 Marsa 1823 vokatry ny fiarahan-dRadama tamin’ny misionera dia nivoaka ny didim-panjakana namaritra ny fomba anoratana ny abidia Malagasy. Araka izao itateran’i Nirhy-Lanto azy izao: “Tao ny sorabe najoro sy kinasa hiorim-paka, Fa nangina indray Radama ka tsy lasany ny laka . Nony tonga ny mpitory sy mpitondra fivavahana, Dia ny sorany no lany ka narakitra hiarahana.” (169) Tsara homarihina fa ny teny dia miorina amin’ny fifanarahan’ny fiarahamonina iray sy mifototra amin-javatra azo tsapain-tanana. Ampiasain’ny mpiombon-teny amin’ny fifandraisana, hampitaina hafatra, toro-marika, baiko, fihetseham-po,… ny teny, ka miteraka firaisana. Ny mpanoratra dia milaza fa ny teny malagasy dia tsy manam-paharoa. Mampiavaka azy ny fomba fanononana ary ny fambaboana ny fo:

“Fa ny teny malagasy dia tenenina eto ihany , Tsy mba fantatra any an-kafa , tsy tononina any ho any ; Saingy hafa kely kosa ny firindra sy filantony , Fa manetsika any anaty , maharenoka ny hakantony”. (170) Tokana ny teny malagasy, hoy ihany i Nirhy-Lanto.Na dia maro aza ny endrika isehoan’izany amin’ny fitenim-paritra, dia tsy mampisara-bazana ny Malagasy izay, fa vao mainka mahatonga azy hifankahazo sy hifandray, tsy mila mpandika teny:

“Eto anivon-driaka isika ary tokana ny teny

(168) (L) HERIMANITRA , Fa ny teny tsy mba miova , imprimerie Adventiste, 2001, tak 53,54 (169) (NL) RAKOTONINDRINA , Rindrambolana, tak 64 (170) ) (NL) RAKOTONINDRINA , Rindrambolana, tak16 111

Niampy angola kely tetsy , toa niroky teny ho eny, Nefa kosa nampiray tany amparankantsonkantsona . (171)

Azo lazaina ho mifamatotra ny teny sy ny poezia noho izy fomba iray natao hitehirizana ny teny. Manana ny anjara asany amin’ny fampivelomana ny teny araka izany ny poeta satria :

-Afaka mamorona voambolana , -Manavao ireo voambolana izay tsy fampiasa firy, -Mamelona sy mitahiry ny teny . Andeha hoporofoina ao anatin’ ny asa soratry Nirhy-Lanto manao hoe “Ny fony” izany:

Ny fony no tompon’ny foko , Izay tokana tsy azo sasahina , Mihidy , voahombo , voaloko Ka tsy azon’ny hafa fitahina

Fa o! vono baibona mafy , Ny hombon’ny dina , Rahavako ! Na inona bala hifafy , Hajaiko ny dinam-pitiavako. Ny lango, ny bika, ny vola, Dia satriko kosa hotsorina, Fa bala tsy mety hahatola Ny mandam-pitia tsara orina. (172)

-Fanavaozana voambolana : voahombo, hahatola, … -Fitehirizana sy famelomana: lango, baibona

(171) (NL) RAKOTONINDRINA, Rindrambolana, tak 35 (172) ) (NL) RAKOTONINDRINA , Rindrambolana, tak 35 112

Raha jerena ireo voambolana ireo dia tsy ampiasain’ny olona amin’ny andavanandro toy lango izay midika vary lena endasina dia totoina ka hanina ny hoe baibona dia tendron’ny vy solom-pantsika anakambanana takela-by na hazo,izay pohina mafy mba tsy ho afa-mitsoaka. Ny fampiasan’ny mpanoratra azy ireny dia mahatonga ny mpamaky hamelona izany indray ny teny . Araka izany ny poeta dia tokony ho olona mahafolaka tsara ny teny sy mahafehy ny fitsipika mifehy izany.

Eto dia tsaroana ilay tenin-dRanoe manao hoe: “Ny talenta miampy fandalinana sy fikarohana no mahakanto ny asa satria ny fiontanana anaty, fenoin’ny fikarohana fehezin’ny lalana no miteraka aina ao amin’ny soratra.” (173) Noho izany dia mandringa ny talenta tsy arahina fikarohana. Ho an’i Nirhy-Lanto manokana dia anisan’ny fepetra takiny amin’ny fandrafetana ny poezia ny fampiasana ny teny malagasy madio rano. Fototra maha-firenena ny firenena ny teny, mirakitra haren-tsaina nangonin’ireo taranaka maro mifandimby izy io, ka tokony hohajaina sy hofantarina. Mahasarotiny an’i Nirhy-Lanto ny fomba fanoratana ny teny malagasy. Koa ankoatra ny fanomezana hevi-teny ho an’ny mpamaky dia fanaony ihany koa ny mampitandrina sy manamarika ny fahadisoana amin’ny fanononana ny teny. Ohatra: “tato anatin’ny taona maromaro ihany, dia tsy vitsy no nahadinika fa betsaka, amin’ny tanora indrindra indrindra ary hatrany amin’ny mpiteny amin’ny fampielezam-peo sy fahitalavitra aza no mitelina na tsy manonona ny “H” amin’ny teny maro. Ohatra : vehivavy manjary veivavy, matahotra manjary mataotra … Tandremo ! mihasimba ny teny malagasy.” (174)

Tsapan’i Nirhy-Lanto fa lova sy harena sarobidy navelan’ny Razana ny teny, ny fomba amam-panao, ny tanindrazana ,izay fototra maha-firenena ny firenana, ka tokony harovana:

(173) Tovozin-tsy ritra , tak 98 (174) ) (NL) RAKOTONINDRINA , Rindrambolana, tak 111 113

Ary izao fitenintsika izao, lova tsara vako-drazana, Miampy izato fomba hafa, mahavako ny mpitazana, Ireo rehetra ireo zareo, ary koa ny vovo-tany Izay nodiavin’ny taloha fony fahagola tany( )

Zava-dehibe tokoa ny fiarovana ny teny, satria ahafahana mitahiry ny tantaram-pirenena izany.

2.2. FITEHIRIZANA NY TANTARAM-PIRENENA Zava-dehibe ho an’ny firenena ny fananana tantara. Ny poeta dia manana anjara amin’ny firaketana ny tantaran’ny firenena, satria ny zava-misy manodidina azy notanteriny ao anatin’ny asa sorany. Hoy Ilay: “Ny teny tsy enti-mifandray fotsiny fa mitahiry zavatra koa, mirakitra ny tantara.” (175) Ao anatin’ny asa sorany, i Nirhy-Lanto dia niezaka nitahiry lafin-javatra maro izay nitranga teto amin’ny firenena. Santionany teo amin’ny lafiny sôsialy, ohatra, ny fahamaizan’ ny Rovan’ny Manjakamiadana tamin’ ny 06 Nôvambra 1995, ka tohina tamin’izany izy. Ho azy mantsy, io toerana io, dia mampifandray ireo taranaka amin’ny razana. Ny fahatapahan’izany fifandraisana izany no niteraka alahelo tsy mety maty tao aminy:

“Nisy ela nifatora, Dia ny Rova izay nodorana” Mbola ao tsy tena toro, Ny aloaka tsy mikoro ! Ireny mantsy sisa tazana, Ifandraisana aman-dRazana, Ka inona fa tsy maty Sy mamolivoly anaty. Injao henoy miretsidretsika, Sy mitory fa mihetsika :

(175) Ambioka, laharana 28; Sept 2000 114

Velona ao an-tratrantsika Ny efa dify sy nidika ! Koa dia dindo itsiahivana Izay voakomby sy voasivana, Ireny sisa hita ireny, Nokilaina tsy hiteny !

Tsy mitatitra fotsiny ny zava-misy ny mpanoratra, fa sady manentana izy no mampahery ny mpiara-belona aminy tsy ho kivy eo anatrehan’izany toe-javatra izany. Manantena mantsy izy fa indray andro any, dia mbola hisy taranaka handray andraikitra amin’ny fanarenana indray ny Rova:

“Mbola hisy hanariana Amy fara hery marina; Ary hisy an-tapitrisa Hitadidy, hamisavisa… Ka ho hafatra hambarany, Ny tantaran’ny tantarany Izay hipetraka ho taria Hifandovan-doria…doria” (176)

Ny teo amin’ny lafin’ny finoana indray, ankoatra ny fitantarany ny fahafolo taona nijoroan’ny FFKM, dia eo ihany koa ny fanolorany ny fiheverany momba ny noely ao amin’ilay tonokalony hoe: “NOELY!NOELY!” Ho azy ny Noely, dia midika ho fitiavana lehibe izay tsy takatry ny saina no atolotr’Andriamanitra ho an’ ny zanak ‘olombelona :

(176) (NL) RAKOTONINDRINA , Rindrambolana, tak 92 115

“NOELY ! tsy manan-tsahala! katsaho isan’andro isan’alina Ny teny izay mety hahalaza Ilay tena fitiavana lalina ! Ny heviny avo dia avo tsy azo refesina akory, Dia ampy hampahery tokoa ny zoin-java-mety hampahory. Ny fanomezan’Andriamanitra Ray ny zanany malalany, dia i Jesoa no vonjy sy fanafahana ho an’ ny olona rehetra tsy ankanavaka:

Fitiavana safatsiroa, fitiavan-tsy taka-takarina: No azon’olon-drehetra, dia tana-Mahery hanarina. Jesosy Malalan’ny Ray, izay tolotra ambony nomena, No fototr’izao fifaliana sy andrin’ity famonjena

Teo amin’ny lafiny ara-toe-karena, ohatra, dia ny famolahan’ny Malagasy ny zava-boaary, dia ny Masoandro, no raketiny ho tantara. Tsapany fa isan’ny olana lehibe ho an’ny mpamboly ny fitobahan’ny vokatra. Noho ny tsy fananan’izy ireo fitaovana sy fomba hitehirizana izany:

Mivarotra Masoandro “Misy fomba fitahiry, toy ireo varangan-kena, Fa ireo voankazontsika , be ny be mameno tsena Nisy andram-pikajiana, saingy tojo zava-tsarotra, Ka nangaina ireo tantsaha, nogamoin’ny fola-barotra.

Misy varotra masoandro sy ny varotra kitay, Samy hery ahandroana fa mafana, mahamay. Izao dia misy kosa indray ny masoandro nofolahina, Izay mamoaka hery hafa, nanome fampangatsiahina.

Ny fahitan’ilay zazavavy Malagasy vahaolana momba io olana io, dia ny fitehirizana voankazo mandeha amin’ny herin’ny masoandro, ka ahafahana manondrana izana any ivelany, no dokafan’i Nirhy-Lanto amin’ity asa sorany ity.

Zazavavy malagasy no nikaroka nikiry, 116

Ka nahita izato fomba mbola tsy fahita firy, Ny voankazo samihafa izay kinajy dia nitory, Fa haharitra aman-taona, tsy aman’androny tsy akory.

Raha azo napariaka ito voka-pikarohana, Ka tsy vitsy ny hanapy, hamporisika, hanohana, Dia hifaly sy hitraka ireo mpamboly izay mihafy, Ny voankazony dia hisy izay haondrana any an-dafy. (177)

Teo amin’ny lafiny fanabeazana, dia ny sekoly tamin’ny andron’ny fanjanahantany no hindrahindrin’ny mpanoratra amin’ilay tononkalony hoe “Le Myre de Vilers”. Ny sekoly mantsy, dia isan’ny mikolokolo sy manabe ny tanora handray andraikitra eo amin’ny firenena. Ny fahitan’ny mpanoratra ny maha-zava-dehibe ny fanabeazana azony tamin’izany no nahatonga azy hankasitraka ny fisian’ity sekoly ity:

Ilay Le Myre de Vilers, andry mafy tsy mipika, No nanomana olo-maro ho an’i Gasikarantsika, Nisy izany sady misy, ary mbola hisy koa, Koa misaotra anao ny foko ry tsy manam-paharoa!

Taminao dia taminao ireo zatovo sesehena No nipoitra sy nanompo ho antoky ny firenena. Hany sisa mbola iriko, o!, ry Madagasikara! Fisondrotana ho avo, firariako mba ho tsara.(178)

Eto ny mpanoratra dia miezaka ny hisarika ny mpamaky ho toy resy lahatra amin’ny hatsaran’ ity sekoly ity. Ohatra, teo amin’ny lafin’ny pôlitika dia ireo nanao vy very ny ainy ho an’ny tanindrazany no tantarainy.

(178) (NL) RAKOTONINDRIANA, Rindrambolana, tak 12 (177) (NL) RAKOTONINDRINA, Vary Faho, tak 192 117

Ampahatsiahiviny an’ireo taranaka, mba hahatonga azy ireo ho tia tanindrazana, fa nisy olona izay nanao sorona ny ainy ho fanafahana an’i Madagasikara:

Io hianao mijihina io, Mba tsarovy, tadidio, Nisy anie fadiranovana Saingy iniana tsy tsarovana

Nisy ra nijininika Ho avotry ny tanintsika: Fifaliana safomorona Noho ireo nanjary sorona! (179)

Tsapa àry, fa nahasahana ny lafim-piainana maro ny tononkalon’i Nirhy-Lanto ary nitahiry zava-nisy maro teto Madagasikara izany. Hoy i Nalisoa RAVALITERA raha milaza ny anjara toeran’ny mpanoratra izy : “Zanahary tapany ny mpanoratra satria hainy ny mamorona ny zavatra tsy misy mba hisy… Raha zohina anefa dia toa mpandrafitra ihany izy fa tsy mpamorona akory satria ny zava-misy eo amin’ny manodidina ihany no atambatambany toe- piainana sy toe-pon’ny mpiara-belona ihany no fohaziny” .. (180)

Tsy ny tantaram-pirenena ihany no voarakitra ao anatin’ny asa soratry ity mpanan-talenta ity fa ny fiarovana ny kolon-tsaina koa.

2.3. FIAROVANA NY KOLON-TSAINA Anisan’ny mitahiry ny fahendrena amam-pahalalana ny kolon-tsaina. Azo ambara ho kolon-tsaina avokoa rehefa mety ho fomba amam-panao izay mampitatra ny saina, na lalao izany na hira eny hatramin’ny toetra amam-pihetsika koa aza. Eto dia tsaroana ilay fanambaran’i hoe : “Tsy vakoka natao hotahirizina fotsiny ny maha-Malagasy fa natao iainana sy

(179) (NL) RAKOTONINDRINA, Rindrambolana, tak 87 (180) Tovozin-tsy ritra, Boky fahadimy, tak 94 118 ivelomana andavanandro, ahafahana mifanandrina, mifanena, mifanakalo amin’ny kolon-tsaina hafa” (181) Tanjona iray nimasoan’i Nirhy-Lanto ny hampiray ny Malagasy. Ny firaisan- kina mantsy dia anisan’ ny toetra iray ananan’ny Malagasy, ka dia nanaovany antso avo : “Malagasy namako o! miantso anao anie ny penina, izay nirodana omaly no hajoro sy harenina”

Endrika isehoan’ny firaisan-kina sy ny fihavanana, ny fiaraha-mientana sy ny fifanampiana manoloana ny toe-javatra eo amin’ny fiainana na soa izany na ratsy.Izany indrindra no asongadiny amin’ity tononkalony ity:

Injany nisy nahatsiahy fomba iray nitalanjonana, Dia ny fo izay nifanampy, mariky ny fivondronana: Fefiloha va no vaky? Zazalahy va no teraka? Indreny niolomay ny maro, tsy tsaroana izany reraka.

Mampifanatona ny mpiara-monina sy mandamina azy ireo ny fandalany firaisan-kina.Izany mantsy no nahafahany nandresy ny sarotra teo amin’ny fiainany:

Eny, mamy nohajaina ny firaisankina lalina Ka nazava ihany teto na dia maizina aza ny alina: Zovy no narisarisa-herim-po tsy mba voa songona No tsy vonona hamonjy raha nanangana afo Antongona? Ry faneva mikoropaka eny an-tampon’ny vovonana, Ry faneva nisy teto, ry Fanevam-pivondronana! (182)

Tsapan’ny mpanoratra ny maha-zava-dehibe ity singan-driba izay nolovana avy amin’ny razana ity, ka dia entaniny ny Malagasy hiaina sy hamelo-maso izany:

(181) Gazety Tsangan’afo, 1997 (182) (NL) RAKOTONINDRINA, Rindrambolana, suppra note, tak 16 119

Nisy tsara, tsy tomika Nahasoa ny razantsika, Nefa very sy nivarina Ka tadiavin-kofongarina.

□ Niezaka i Nirhy-Lanto ny handresy lahatra ny mpamaky amin’ny alalan’ny fitanisana ny voka-tsoa entin’ny firaisan-kina, dia ny fanamaivanana ny fahasahiranana sy ny fiaraha-mifaly amin’ny fahasoavana:

Ny firaisan-kina mantsy no kofehy tsara vona, Tamin-java nahafaly na ny voina izay nidona; Sanatria tsy novahana mba ho fasika hiraraka… Fa tsy vatolampy intsony izay niray ka tafa-saraka Lovantsofina tavela, velon-tsoratra tsy maty, Mbola re ankehitriny sy midonaka ao anaty, Fony andron-drazantsika na inona na inona tantarany, Nisy hazavana ihany izay tsy takona ny tarany (183)

Avohitry ny mpanoratra fa ilain’ny Malagasy ihany koa ny fifankatiavana sy fihavanana. Manampy izany dia tokony ho tia sy hokolokolo ny tanindrazany ny olom-pirenena: “Sambatra ny mpampihavana, fa ho zanak’Andriamanitra. Fony teto i Tata Max, dia namafy fofo-manitra ka ny Malagasy mantsy mba ho tia …hifankatia: Tia tokoa ny fireneny, tia ny Taniny satria sady vonona ho tia, na ny ory na ny manana ka ny fenitra an-doloha: ny orim-batom-pihavanana, fa ny rà iraisantsika, maha-tena izany tena no miravona hampiray, haha iray ny Firenena . Ankoatra izany dia ampirisihiny ihany koa ny mpamaky hitana ny maha- Malagasy ny Malagasy:

(183) (NL) RAKOTONINDRINA, Rindrambolana, tak14 120

□ Manana ny fomba fitafy sy fihaingony manokana mantsy ny Malagasy anisan’izany ny fitafiana “lamba”: Sampin-damba kamokamo goragora, Volo oly, sandry meja sy bakora, Ranjo soa malandilandy, fanaperana,

□ Manana ny fahendreny sy ny fahaiza- mitondra tena ihany koa ny tanora malagasy. Tandroviny mafy amin’izany ny toetra amam-pihetsika aseho: Maotimaontina, milaika moramora, Tsy mba jefijefy foana fa noperana: Zazavavy Malagasy no miserana! □ Meva sy feno hatsaran-tarehy ka tsy latsa-danja noho ny hafa ny Malagasy. Hita izany, na amin’ny endrika na amin’ny bika :

Nefa kosa falifaly lalandava; Ka mitory hamevanana vitsy mpanana, Na ny bika manontolo na tsanganana!

Rendrenoka ny maso izay mizaha, Manonofy voninkazo feno saha, Ka sondriana sy somary fanimpanina . (184)

Ny fiarovan’i Nirhy-Lanto kolon-tsaina malagasy tsy ho rava, dia azo lazaina fa fitiavan-tanindrazana.

2.4.FITIAVANA NY TANINDRAZANA Sarobidy amin’ny olona ny firenena fa miantoka ny fivelomany sy ny fisiany “(..) ny firenena no manarakaraka an’Andriamantra amin’ny fitahiana sy fanasoavana ny olombelona … tsy velona, tsy misondrotra ary tsy mety hiadana ny olombelona raha tsy ny fireneny” (185) I Nirhy-Lanto dia niaina izany fitiavan-tanindrazana ary nigadra vokatr’izany.

(184) (NL) RAKOTONINDRINA, Rindrambolana, tak31 (185) RAVELONJAONA, Tanindrazana sy Firenena ary isika Malagasy, tak 87 121

Toy izao no fanambarana nataon’i Rado momba izany: “izay tena iderako azy indrindra, anefa, dia ny rindrambolana nanehoany ny fitiavan-Tanindrazana mivaivay tao anatiny. Tsy kobaka am-bava na ravoravo natentina ireny, fa tena latsaka anaty tahaka ny tsoka. Nidirany am-ponja. Niaretany sesitany tamin’ny andron’ny fahatanorany. Mety ho nandeha ho azy ihany ireny raha olon-tsotra mpanoratra ity sakaizako ity. Saingy mampiaiky volana kosa raha mpiasam-panjakana, mbola tao anatin’ny gejan’ny fanjanahantany, no sahy naneho tsy amin-tahotra ny fitiavan-tanindrazana sy ny hetahetan’ny vahoaka malagasy mitaky ny fahaleovan-tena. (186)

Azo tsinjaraina ho telo ireo poezia nosoratan’i Nirhy-Lanto momba ny Tanindrazana dia ny: Ny fihetsika takina amin’ny olom-pirenena, Fandokoana ny Tanindrazana, Ny fanarenam-pirenena. Andeha ho jerentsika tsirairay izy ireo:

-Ny fihetsika takina amin’ny olom-pirenena dia ny handray andraikitra hanasoa ny Tanindrazany. Mitaky fanoloran-tena anefa izany: “Ndeha hivoady izaho sy hianao… Ka hivonona hanao Asa masina ho tazana: Fanompoana Tanindrazana!” (187)

- Fandokoana ny tanindrazana : Manome fanoritsoritana sy mampahalala ny nosy Madagasikara izy: “Indro mivalampatra eo, toa matory, mitsikasina, Tao anaty nofinofy, tao no indro nahitako Nosy lavalava iray, eo anaty ranomasina, Nosin-tany izay voadidy fa ho Nosy hiafarako…(188)

(186) Gazety Takariva, laharana 491, 06 Aogositra 1942 (187)( NL) RAKOTONINDRINA , Rindrambolana, tak87 (188) ( NL) RAKOTONINDRINA, Rindrambolana, tak18 122

Asongadiny ihany koa ny fankamamiany an’i Madagasikara noho izy mirakitra harena sy zava-tsoa maro : Io no Madagasikara, mamiko tsy ho hadinoiko, Io no Madagasikara, feno rakitra tsy foiko… Teo ny razana taloha, teo ny tsiahy soa fahiny, Teo ny tsiky fahazaza, no niseho ts’itsy tsiny! (189)

Asehony ihany koa fa tany manan-karena ara-boajanahary i Madagasikara.Ananany avokoa ny harena na ny an-tanety na ny anaty rano na ny ankibon’ny tany : Amin’ iny toerana iny ny harena mitotohitra: Ao ny landy, ao ny voly, ao ny biby fiompy koa; Ao ambany lohasaha, ao anaty tendrombohitra, Ny sokay, ny volamena, ny karazam-batosoa.

Iny morontsiraka iny, amin’ny ilany atsinanana, Misy ala feno hazo, lafo vidy, tsy mba vitsy; Iny andrefana iny kosa, iny koa dia mbola manana Zava-maro sarobidy, tsy anononana mihitsy (190)

-Ny fanarenam-pirenena: Nanimba zavatra betsaka teo amin’ny maha-Malagasy ny fanjanahatany. Noho izany dia miantso ny Malagasy ny mpanoratra mba handray andraikitra amin’ny fanarenana indray an’i Madagasikara: Misehoa ankehitriny, o! ry teraky ny Nosy “Fitranganana ho modely” io no zavatra ilofosy Malagasy namako o! miantso anao anio ny penina Izay narodana omaly ndeha hajoro sy harenina (191)

Manaraka izany, ho an’i Nirhy-Lanto dia tsy ampy ny fananana fahatsiarovana fotsiny ny Tanindrazana, fa mitaky fitiavana sy arahin’asa avy amin’ny olom-

(189) Gazety Takariva, laharana 491, 06 Aogositra 1942 (190) ( NL) RAKOTONINDRINA, Rindrambolana, tak 19 (191) ( NL) RAKOTONINDRINA, Rindrambolana, tak 17 123 pirenena izany. Amin’izany dia tsy maintsy misy fijaliana hiaretana. Tsy mahagaga àry raha nanolotra fankasitrahana ireo olona izay nanana fitiavan-tanindrazana izy: Ohatra amin’ireny Pasitera Tata Max izay tantarainy ao amin’ny tononkalony hoe “vavolombelon’ny 1949: Tata Max (1907-1983) I Tata Max dia mpitandrina nanana fandavan-tena hitolona ho an’i Madagasikara. Isan’ireo mpikambana tao amin’ny biraon’ny M.D.R.M izy.

Ny androm-piainany tontolo dia natokany ho an’ny asany, saingy dify ankehitriny, toy ny angano ho an’ny sasany, ali-mainty, horohoro, haizina tsy hita fetra. no nidirany tsy antery, fa teren’ny tarigetra; dia ny zon’ny firenena izay nakoro ho hatsangana, na ny fo hangirifiry, na ny nofo koa ho mangana. Vita ankehitriny ny asany. Zovy no tsy mahalala ? Mahaleo tena isika …lasana izy ka malala…

Amin’ny alalan’ny fitanisan’i Nirhy-Lanto ireo zava-bitan’ i Tata Max, no andreseny lahatra ny mpamaky, fa mila olona tahaka izany i Madagasikara mba hahatongavana amin’ny tanjona kendrena: Tsy nariry izay nafafy teo an-tsaha nitolomany, Ary hitany ny voany tamin’ny andro nahavelomany. Mbola hisy Tata Max …zato, arivo, tapitrisa: Ito Madagasikara, ho zary tany paradisa. Ka lalao izay mba nombany niampy ny ilo nokatsahiny Fa tsy vola na harena no fitsipika narahiny Ny sokajy toa ireny, dia matory fa tsy maty: Injao ny feon’ i Tata Max …injao mibitsika ao anaty. (192)

Eto dia andalana valo no nanorenany ny andinin’ ity tononkalo ity.Misy heviny ny isa valo teo amin’ny Ntaolo: “ny tana-maro no mahalavorary izay natao rehetra;

(192) (NL)RAKOTONINDRINA, Rindrambolana, suppra note , tak 51 124

Ka dia hoy ny Ntaolo hoe: Valo tanantanana” (193)

Izany hoe mitory fifarimbonana sy fifanampiana no asehon’ny isa valo.

Mba hahatonga ny Malagasy hanana ny maha-izy azy no nanentanin’ ny mpanoratra ny mpiray tanindrazana aminy hiaro ny maha-malagasy azy: ny teny, ny kolon-tsaina, ny Tanindrazana. Nandritra ny fiainany manontolo dia nitolona ho fanafahana sy ho fampandrosoana an’i Madagasikara i Nirhy-Lanto. Nataony izany mba ho fihazonana ny fianianana nataony tamin’ny fidirana ho mpikambana tao amin’ny PANAMA dia ny hoe”hanompo ny firenena Malagasy eo ambany fitahian’Andriamanitra” . Noho izany dia azo lazaina fa olomangam-pirenena izy, satria nahavita zavatra betsaka ho an’ny tombontoan’ny firenena.

(193) RANDRIAMIADANARIVO, “Manisa”, Isa ny amontana, édition, Salohy, 1975, tak 23 125

TOKO 3: NIRHY-LANTO OLOMANGAM-PIRENENA

Mpitolona ho an’ny firenena i Nirhy-Lanto, hita soritra izany amin’ny fiainany sy ny literatiora nosoratany: “Nisotro ny mangidy tsy tanty” izy ho an’ny Tanindrazany. Ny endrikendrika, fonja, sesitany, famoizana zanaka dia samy nozakainy avokoa. Tsy nisy nampihemotra na mampamoy fo azy anefa izany. Fa hoy izy tany am-ponja: “Ny tenako no azo tanana Sy azonareo sakanana: Ny peniko sy ny saiko Miteny tsy mila baiko.” (194)

3.1. NIRHY-LANTO TABIA SY REHAREHAM-PIRENENA Mampiavaka izany lehilahy izany, ankoatra ny maha-mpitolona azy, ny fananana herim-po. Lafin-javatra maro no nampisongadina azy: teo amin’ny fiainana, literatiora, firenena, finoana.

3.1.1.Nirhy-Lanto tabia sy reharehan’ny firenena teo amin’ny fiainany Ny taona 1947-1956 dia niaina tao anatin’ny fihafiana nombam-piainan- tsarotra i Nirhy-Lanto. Na teo anefa izany dia nikiry hatrany izy tamin’ny fiahiana ny ankohonany. Nody ventiny ary ny rano nantsakainy, satria tafita avokoa ireo zanany fito mianadahy araka izao fitantarany azy izao:

(194) (NL)RAKOTONINDRINA, Rindrambolana, tak 34 126

“-Nirhy-lanto Zoly Seheno dia nisahana ny asan’ny mpampivelona ary taty aoriana dia nanohy ny fianarany tany Paris. -Nirhy-Lanto Hery Andriamahazo, Maitre ès Sciences Juridiques, tao amin’ny faculté de Droit d’Antananarivo; tia sary sy mozika ary hira, lasa direktera tao amin’ny Banky Fampandrosoana ny Varotra, vao notendrena ho direktera jeneralin’ny Etablissement Financier SONAPAR, tamin’ny taona 1993, ary nahazo ny trophée natolotra azy tany Mexico noho ny fahatsaran’ny fatantanany ny orinasa niandraketany.[ Amin’izao fotoana izao dia direkteran’ny kabinetra ao amin’ny Antenimeran-doholona 2006]. -Nirhy-Lanto Faraniaina Malala, nianatra tao amin’ny faculté de Droit teto Antananarivo sy Besançon ary nahazo ny mari-pahaizana Brevet de Technicien Superieur en Marketing tao amin’ny Universal Formation, niara-dia tsy tapaka tamin’ny zokiny Nirhy-Lanto Hery Andriamahazo tamin’ny raharaham-pirenena. -Nirhy-Lanto Rahely Ramiliarinosy sy Nirhy-Lanto Voahangy Vololontsihoaraniarivo, izay tsy nialangalana velively sanatria tamin’ny raharaham- pirenena, fa “nozarazarain’ny fanomezam-pahasoavana” ka niara-dalana hatrany tamin’ny mpiara-tampo taminy.” (195)

Hetahetan’i Nirhy-Lanto tokoa ny hanohizan’ireo zanany ny tolona sy ny ady nataony, dia ny fanasoavana an’i Madagasikara.Hoy izy : Misy bainga tsy voavadiko, Ao ny solatry ny angadiko, Hisy zanako kanefa Mbola hanohy izay tsy efa! (196) Hoy koa ny Ntaolo hoe “Izay adala no toa an-drainy”.

3.1.2.Nirhy-Lanto tabia sy reharehan’ny firenena teo amin’ny Literatiora Ny fiarovan’i Nirhy-Lanto ny teny malagasy dia isan’ny fiarovana ny firaisam-pirenena, satria mampananosarotra ireo te-hampisara-bazana ny fanany teny iray. Ny teny mantsy no ahafahana mifandresy lahatra sy mifanakalo hevitra. Koa na

(195) (NL)RAKOTONINDRINA, Izaho atody niady amim-bato, tak 150 (196) (NL)RAKOTONINDRINA, Izaho atody niady amim-bato, tak 151 127 teo aza ny ezaka nataon’ny Galliéni ny hamotika ny teny malagasy dia nikiry hatrany i Nirhy-Lanto ny hampanakarena izany. Marihina fa ny teny iombonana dia manamora ny fampandrosoana ary mampitsiry ny firaisan-kina. Ankoatra ny fikoloana ny teny dia nikely aina koa izy niaro ny kolon-tsaina malagasy tamin’ny alalan’ny asa sorany. Nanentana ny olona izy mba hanaja sy hihazona ireo vakoka navelan’ny Razana. Tsapa tokoa mantsy fa ny olona tsy manana ny maha-izy azy dia tsy afaka hivelatra na dia manana endrika toa mandroso aza dia sadasada ihany rehefa halalinina izany.

Tsy kobaka am-bava na kabary ambony vavahady fotsiny no nataon’i Nirhy-Lanto fa narahina asa izany.

3.1.3.Nirhy-Lanto tabia sy reharehan’ny firenena teo amin’ny fiainam-pirenena Nanana fandavan-tena i Nirhy-Lanto handresy ny vato misakana tsy maintsy resena, dia ny fanjanahantany. Nafoiny ireo tombon-tsoany mba hanjakan’ny fahafahana sy ny fiandrianam-pirenena tamin’ny andron’ny fanjanahantany. Hoy indrindra izy: “Raha vao tapa-kevitra fotsiny aho, dia niditra avy hatrany an-tsitrapo, tao amin’ ilay fikambanana miafina tia tanindrazana PANAMA ary nanao ny fianianako tamin’ny anaran’Andriamanitra sy teo anatrehan’ny baiboly mivelatra. Efa azoko sary an-tsaina ny zava-maro tsy mora, tsy maintsy hiseho amin’ny fandraisako anjara amin’ny tolona ho fanavotam-pirenena” “… fa tsy mbola nalehanareo akory izao lalana izao” (Josoa 3: 4) “… mandehanà amin’izao herinao izao” (Mpitsara 6 : 14) Tandindon’ny “atody miady amim-bato” araka ny tenin’ny Ntaolo ny Tia Tanindrazana mifanandrina amin’ny kolonialista mpanjanatany: “Ny akoran’atody dia mora vaky sy potika. Ny voninahiny kosa: miady vao resy, fa tsy resy tsy miady”. Ny akora mora vaky sy potika ka mongomongoina dia miofo ho vovoka mitahiry calcium, mpampahery na dia efa mavitrika aza. Raha nisy faharesen’ny resy omaly, tsy azo inoana koa ve fa mbola mety hisy faharesen’ny 128 mpandresy rahampits?”(197) Tamin’ny fotoan’ny fahaleovantena, na dia efa nisotro ronono aza izy no nantsoina hamaha ny olan’ny orinasa COTONA dia nekeny izany. Taratry ny fananany finiavana hanasoa ny firenena izany. Tsy teo amin’ny fiainany sy ny literatiora ary fiainam-pirenena ihany no nitoloman’i Nirhy-Lanto fa na teo amin’ny sehatry ny finoana koa aza.

3.1.4.Nirhy-Lanto tabia sy reharehan’ny firenena teo amin’ny finoana Amin’ny ankapobeny ny Malagasy dia mihevitra fa misy hery lehibe izay ambony noho ny olombelona, ka mifehy ny tontolo, tokony hankatoavina sy omena hasina dia: Andriamanitra. “(…) tsy misy firenena afaka hivelona am-pilaminana tsy manan-javatra hajaina sy atahorana” (198) I Nirhy-Lanto dia azo lazaina ho poeta kristianina, hita taratra any amin’ny poezia nosoratany izany. Misy amin’ireny tononkalony ireny no toy ny toriteny vita, izany hoe: mampahafantatra ny momba an’Andriamanitra.Ohatra: “Andriamanitra mahery”.Misy koa ireo izay midera an’Andriamanitra toy ny hoe:“Voninahitra ho an’Andriamanitra”,ao indray ny mangataka fitahiana Aminy : “ankaramalaza”… Heverina fa mifandray amin’ny maha-mpiandry azy no antony mahatonga izany Ankoatra ireo tara-kevitra ireo, dia maneho izany koa ny voambolana nampiasainy. -Ireo voambolana nanononany an’Andriamanitra.

Ireo teny Isany Laharany Mpandahatra 2 19-79 Ray 6 56-85-96 Tompo 19 52-54-56-58-66-68-71-74-76-86-88 Ny lanitra 9 53-56-58-62-73-81-85-88-97-53-81 Ny Avo 3 53-81 Ilay Fitiavana 4 56-88-93 Totaliny 43

(197)(NL)RAKOTONINDRINA, Izaho atody niady amim-bato, tak 152 (198) (E.D ) ANDRIARIMALALA, Ny Fanagasiana, Librerie mixte, Antananarivo 1974, tak49 129

FAFANA FAHAENINA Azo sintonina amin’ireo voambolana ampiasainy ireo ny fiheverany an’Andriamanitra. Aminy dia manana fifandraisana amin’ny olombelona Andriamanitra, ka dia antsoiny hoe: Ray, Ilay fitiavana… Manana ny fiandrianana, koa anefa Izy: Tompo, Ny avo, Mpandahatra -Ireo voambolana nanononany an’Ilay Zanak’Andriamanitra

Ireo teny Isany Laharany Jesosy-Jeso 21 56-60-62-64-68-71-74-76-78-81-85-88 Mpanjaka 2 56 Zanaka 6 51-53-58-65 Zanak’Ondry 1 62 Ilay Avy any Nazareta 1 53 Loharanon’Aina 1 71 Totaliny 11

FAFANA FAHAFITO Eto indray dia azo itarafana ny finoany an’ilay Zanak’Andriamanitra, na Zanak’ondry, Jesosy. Anteriny fa avy any Nazareta Jesoa no sady loharanon’Aina.

-Voambolana nanehoany ny toetr’Andriamanitra.

Ireo teny Isany Laharany Mpiandry 2 71 Marina 2 20-21 Mahery 5 21-56-71-88 Mpamonjy-Mpanavotra 21 21-53-56-58-62-64-68-74-76-88 Mitahy-Miahy 4 56-68-74-85 Manafaka 11 56-68-74-85 Totaliny 45

FAFANA FAHAVALO Aminy dia tsara Andrimanitra ary manana hery ahafahany manasoa ny 130 olombelona toy ny fitahiana, fanafahana, fiandrasana. - Voambolana momba ny Noely sy ny toetra kristianina

Ireo teny Isany Laharany Noely-Krismasy 23 33-52-53-56-66-74-79-85 Mitory-toriana 8 58-62-64-74-88 Mivavaka 13 53-55-63-64-68-71-74-79-85 Mino 8 57-60-73-85-90-92 Manantena 16 23-45-60-71-73-85 Mpanota 5 53-56-58-64-68 Mibebaka 1 58 Matoky 1 21 Midera 2 33-85 Totaliny 77

FAFANA FAHASIVY

Abaribariny fa misy toetra na fepetra takina amin’ny kristianina, toy ny fananana fanantenana, finoana ny maha-mpamonjy sy mpanafaka an’i Jesosy, eo ihany koa ny fanonkanana fotoana ivavahana ary ny fankalazana ny fetin’ny Noely… 131

-Voambolana milaza anarana ao amin’ny Baiboly sy ilay maritora Malagasy.

Ireo teny Isany Laharany Jentilisa 1 76 Paoly 2 71-74 Apostoly 1 71 Kefasy 1 71 Edena 1 53 Anjely 3 56-76 Magy 2 56-81 Heroda 1 56 Gologota 1 59 Rasalama 1 63 Kana 1 79 Genesisy 1 64 Matio 1 64 Lioka 1 64 Totaliny 21

FAFANA FAHAFOLO

Hita ao anatin’ny asa sorany koa ireo anaran’ireo olo-malaza ao amin’ny Baiboly toy ireo mpianatry Jesoa: Paoly, Apostoly, Kefasy, Magy… sns Araka izany dia tian’i Nirhy-Lanto ny hampahafantatra ny olona ny momba an’Andriamanitra, ka hitaona azy ireo ho lasa kristianina. Izany no antony nampiasany betsaka ny teny notovozina avy ao amin’ny Baiboly. Ankoatra izany dia fanirian’i Nirhy-Lanto ny hampisy firaisana sy fiombonana eo amin’ny kristianina na dia samy hafa aza ny antokom-pinoana arahina. Izao ny fanehoan-keviny amin’izany: 132

“Moa voazarazara va Ilay Jesoan’ny fanavotana, Ka ny teny namboleny no kendrena mba hongotana ? Iray ny vonjy, iray ny Tompo sady loharanon’aina, Ary isika na dia maro…iray no hany antenaina. (199)

Tsapa ho nitanana anjara toerana lehibe teo amin’ ny firenena izy, satria nitaona ny vahoaka ho amin’ny fampiraisana. Manana ny fomba fahitany an’ i Nirhy- Lanto ny fianakaviany sy ny mpamaky ary ny mpanoratra.

3.2. NY FIJERIN’NY FIANAKAVIANY SY NY MPAMAKY ARY NY MPANORATRA AN’ I NIRHY-LANTO

Tsy toy ny zava-kanto hafa manolotra ny vonona fotsiny ny haisoratra fa mampandray anjara ny mpamaky na ny mpihaino ihany koa amin’ny asa famoronana .Koa zava-dehibe ny fahafantarana ny hevitry ireo olona manodidina azy.

3.2.1.Ny fijerin’ny fianakaviany Manana ny fahitany an’i Nirhy-Lanto ny fianakaviany: ho an’ i Mamy zanany lahy dia ray be herim-po sy fitiavana i Nirhy-Lanto araka izao itantarany azy izao: “I Be kely sy Naivo kely”: io no tantara nifampikasohako voalohany tamin’i Dada, mpitantara na mpanoratra tantara. Variana ery izahay mirahalahy nihaino an’ i Dada isan-kariva alohan’ny hatory. Tadidinao ve ry Dada? Taty aoriana dia ny fiainanao notantarain’ i Bebe sy i Neny ary ianao koa indraindray taminay fito mianadahy, niampy ny fiainantsika sivy mianaka no tonga ho “Izaho, atody niady amim-bato”. Nisy ny hafaliana na horohoro niainanao irery, nisy ny niarahantsika mianakavy, nisongadina hatrany i Dada loham-pianakaviana, i Dada andrim- pianakaviana ary i Dada, dadanay…Tsy nitandro mondro-kery i Neny teo anilanao. Nisy aza fotoana nandraisany andraikitra samirery. Tany am-ponja ianao. Feno ary tsy misy ampiana ny voantantaranao ato amin’ ity boky ity. Tsy ho anay mianadahy avy ihany ny lesona azo tsoahina ato fa ho an’ny taranaka fara

(199)(NL)RAKOTONINDRINA, Rindrambolana, tak 7 133 aman-dimby koa. Fikirizana, fahamarinana, faharetam-pony, finoana ary indrindra fitiavan-tanindrazana no lehibe tamin’ireo hevitra famerimberinao matetika. Dia mbola hita misongadina ato koa izany. Nanao ahoana re ny mety ho fiainantsika mianakavy raha tsy nisy fikirizana teo aminao tamin’ny taona 1960? Fanontaniana nipetraka teo aminay mirahalahy izany. “Izay adala no toa an-drainy”, angamba tsy dia lavitra loatra an’ io tanjon-drazana io izahay zanakareo, noho ianareo. Misaotra ry Dada. Misaotra ry Neny. (200) Vesoul, 24 Febroary 2002

I Nirhy-Lanto Hery indray dia mankasitraka an-drainy tamin’ny fampiroboroboana ny teny malagasy. “Raha ny momba an’ i Nirhy-Lanto manokana kosa, dia nampiavaka azy ny fampiroboroboana ny teny Malagasy: zava-miaina io, ka tsy maintsy tohofana ny mamy mba hivelatra sy handrobona… Moa tsy izy tokoa no namorona ny teny hoe: “Rindrambolana” hoenti-milaza ny tononkalo na poesie? Tsy vitsy amin’ireo asa soratra nataony koa no nampiasany ireo teny tsy fandre andavanandro. Koa porofony ary manakarena ny teny malagasy, koa rariny raha tsy avela ho arafesina. Hetsika iray hoenti-mankafy ny teny malagasy, ary ahatsiarovana hatrany ireo mpandala azy, izao “fankalazana ny asa soratr’i Nirhy-Lanto” izao satria heverinay taranany sy ireo mpiara-dia aminay fa sombin’adidy tsy maintsy tontosaina ho an’ireo taranaka hifandimby. Aoka samy hanaiky isika fa: “Ny mpanakanto tsy mba maty” (201) Antananarivo, faha 20 Jolay 2005 I Nirhy-Lanto Faraniaina Malala idray dia nahatsapa ny hasarobidin’ny asa soratry ny rainy ka hoy izy:

(200) (NL)RAKOTONINDRINA, Izaho atody niady amim-bato, tak 155 (201) (NL)RAKOTONINDRINA, Vary Faho, tak 7 134

“DADA! Tsy ho latsaka an-tany akory ny lova soa napetrakao ho anay taranakao sy ho an’ny Malagasy maminao. Matokia ! fa tsy ho very akory ireo “Harena sarobidy” ireo fa ho fanevan’ny Tanindrazantsika” (202) Ny fankafizan-drainy ny teny malagasy no asongadin’i Nirhy-Lanto Rasoahelinoro Hanitriniaina: “Mpankafy ny teny Malagasy i Nirhy-Lanto, koa rariny raha tsiahivina ireo zava-bitany tsy hahafaty momoka ireo bainga voavadiny.” (203) - Ho an’i Fanja zafikeliny indray dia dadabe mpampahery i Nirhy-Lanto ary liam-baovao sy te- hamantatra ny zava-misy: “Maro ny fahatsiarovana an ’ i Dadabe, anisan’ izany ny fampirisihany ahy mandrakariva ny hianatra, ny hazoto hanita-pahalalana hatrany amin’ny lafiny maro, ka anisan’ny niarahanay matetika ny famakiana gazety, ny fihainoana sy fijerena vaovao. Tsapako fa ny anatra sy ny fampaherezana izay nataony no anisan’ny hery iray nahavitako ny fianarako tao amin’ny Faculté de Droit tao Ankatso” (204) Raha ny fomba fijerin’ny fianakaviany an’ny mpanoratra no dinihina dia mpanakanto nandala ny teny malagasy sy tia tanindrazana izy ary andry nianteheran’ny fianakaviany.Tsy mifanipaka amin’ny fiheveran’ny fianakaviany an’i Nirhy-Lanto ny fiheveran’ny mpamaky azy fa mifameno.

3.2.2.Ny fijerin’ ny mpankafy an’i Nirhy-Lanto Naneho ny fomba fahitany an’ity mpanoratra ity ny mpamaky tamin’ny alalan’ny firaketana izany tao anaty boky volamena: I Juliette RATSIMANDRA dia milaza an’i Nirhy-Lanto ho fanilo: “Midera manokana an’ i Nirhy-Lanto fanilo itsinjovana ny dia ny asa soratra. Mpiasam-panjakana ambony mpandala ny teny Malagasy izy ka hotahafin’ny taranaka hifandimby.” (205) 03 Aogositra 2005 Amin-dRATSIRAHONANA Norbert Lala, dia olona nahavita be teo amin’ny

(202) (NL)RAKOTONINDRINA, Vary Faho, tak 249 (203) (NL)RAKOTONINDRINA , Vary Faho, tak 250 (204) (NL)RAKOTONINDRINA, Vary faho, tak 253 (205) Boky Volamena 135 firenena i Nirhy-Lanto:

“Sambatra koa raha sambatra i Nirhy-Lanto namela taranaka izay nikaroka izao fahatsiarovana izao, mino aho fa tsy ho faty mandrakizay ny fahatsiarovana ny asa soratra navelany. Namana tsy foy i Nirhy-Lanto noho ny fiaraha-mianatra tao amin’ny Ecole Nationale Administration de Madagascar. Mendri-piderana ny fitiavan-tanindrazana sy ny fanompoana vitany.” (206)

Ho an-dRAOLISON Réné dia ny maha-olomanga an’i Nirhy-Lanto no asongadiny: “Mahatsiaro maha-komity niandraiketany ny Ala olana sy gazety Fokonolona niarahana tamin’ny atitany sy niarahana nitety an’i Madagasikara. Ny olomanga Nirhy-Lanto velona mandrakizay.” (207) RAZANAKOTO André koa dia resy lahatra amin’ny maha-olomanga an’i Nirhy-Lanto: “Nirhy-Lanto ombalahy bevozona teo amin’ny sehatra maha-firenena ny firenena Malagasy Mendrika azy ny nataon’ny fianakaviana tsy haha-maso voatoto-tany ny maha-izy azy. Hotahiana mandrakariva anie ny fahatsiarovana azy. To tokoa taminy ny hoe: “Ny tenin-drazako andrianiko, ny an’ny hafa koa feheziko.” (208)

3.2.3.Ny fijerin’ny mpanoratra azy Ny mpanoratra ihany koa dia nankafy ireo sangan’asan’i Nirhy-Lanto ary nankasitraka ny ezaka nataony ho an’ny firenena. Hoy i Rado: “Mpiara mitolona tamiko i Nirhy-Lanto ary isan’ny mpanoratra ankafiziko.” (209)

I Ny Eja indray dia nanolotra fankasitrahana an’i Nirhy-Lanto noho ny fanomezany hasina ny teny Malagasy:

(206) Boky Volamena (207) Boky Volamena (208) Boky Volamena (209) Boky Volamena Fanambarana nataony tao amin’ny “Trano filanonana Behenjy Itaosy” Tamin’ny 19 Aogositra 2006 tamin’ny 2 ora tolakandro 136

“(…) Midera manokana ny fanandratana ny teny malagasy sy ny tononkalo nataon’ i Nirhy-Lanto aho ary maniry ny taranany hanadratra hatrany izany zava- kanto novoiziny izany.” (210) Anterin’i Bitsikin’ny Voahary koa izany fankasitrahana izany amin’ny filazana fa mahafinaritra ny fisian’olona tahaka anao, satria manome hasin’ny maha- malagasy.”(211) Ho an-dRANJATOHERY Harilala, i Nirhy-Lanto dia olo-malaza nanam- piniavana hanasoa ny taniny sy ny mpiara-belona izy: “Ny olona nikely aina nanasoa ny fireneny, Sy nikiry hitana hatrany ireo teny izay nomeny, Ny olona nahafoy andro tamin’ny asa nisasarany, Ho an’ny mpiara-belona aminy. Tsy hadino ny tantarany: …tsy ho faty ny anarany.” (212)

Ny hakanton’ny poezia nosoratan’i Nirhy-Lanto kosa no nanohina an’i Varatraza: “asa soratra voakolo, Tsy atakalo tsy voasolo, Lovasoa sady kanto, Ny “hiranao” ry Nirhy-Lanto!” (213)

Amin’ny ankapobeny ny mpanoratra dia nanolotra fankasitrahana an’i Nirhy- Lanto, noho ny fanandratany ny maha-malagasy, indrindra fa ny teny malagasy.

Raha aravona ity tontolon’ity zava-kanto dia oharinay amin’ny zaridaina iray: Ny tany no fiarahamonina sy vanim-potoana aniriany, ny talenta sy ny aingam- panahy laroina fandalinana kosa no zezika mampiroborobo azy, ny faka ijoroany sy mpanome aina azy indray dia ny poeta. Ny taho ve? Io no teny enti-mamorona sy mandrafitra ny literatiora. Indro ary fa mivelatra ilay felana manitra ka manaitra, mambabo, mandresy lahatra, dia ny poezia. Ny mpamaky kosa no mioty ny vokatra

(210) Boky Volamena (211) Boky Volamena (212) Boky Volamena (213) Boky Volamena 137 vokarin’ny mpamokatra. Avy amin’ny fahatsapana ny maha-harena ny asan’i Nirhy-Lanto no mahatonga ny fiankaviany sy ny fikambanana samihafa hikarakara hetsika ho fampahafantarana azy.

3.3. IREO HETSIKA NATAO HO FAMPAHAFANTARANA AN’I NIRHY-LANTO Tsy nihinana voamanadino fa nihinana voamahatsiro ireo taranaky Nirhy- Lanto ka nikarakara hetsika mba hahafantaran’ny mpiara-belona ny momba ilay “Fitarikandro vadin’ny masoandro” sy “Telonohorefy vadin’ny volana” teo amin’ny fiainany sy literatiora ary tolona ho an’ny Tanindrazana. Indroa ny fianakaviany no nanao hetsika ho fampahafantarana an’i Nirhy- Lanto. Izany dia notronin’ny fikambanana nisy azy dia ny “Havatsa UPEM”. - Ny hetsika voalohany dia natao tao amin’ny galérie Analakely tamin’ny volana Aogositra 2005 mba ho fanehoana sy hofampirantinana ny zava-bitan’ny mpanoratra. Nisy koa ny fiantsana ny tononkalon’i Nirhy-Lanto. Ankoatra izany, dia nisy fanentanana ny olona handray anjara amin’ny “Loka Nirhy-Lanto” izay ahitana fifaninanana mamorona amboaran-tononkalo, amboaran-tsombin-tantara, tantara foronina.

- Ny hetsika faharoa dia natao tao amin’ny “Trano filanonana Behenjy Itaosy” tamin’ny 19 Aogositra 2006 nanomboka tamin’ny 11 ora maraina. Indro omena antsika ny fandaharam-potoana tamin’izany: 11 ora: Fandraisana ireo olona nasaina sy fiaraha-miala hetaheta. 12 ora: Fanokafana ny fotoana. - fiaraha-misaotra an’Andriamanitra. - lahateny ifandimbiasana. 1 ora: fiaraha-misakafo. - fanolorana ny boky vaovao nosoratan’i Nirhy-Lanto “Vary Faho voalohany”. - fampahafantarana ireo nahazo ny loka Nirhy-Lanto 2005- 2006. “Rindrambolana sy koloteny” izany hoe loka Nirhy-Lanto. - fizarana ireo loka sy fampahafantarana ireo sangan’asa 138 mendrika isan-tsokajy. - koranam-pianakaviana isan-karazany. Indreto ny anaran’ireo olona nahazo loka: Ny Ako no nibata ny loka tamin’ny tononkalo, teo amin’ny sombin-tantara indray: i Hajaina sy i Hoby no nahazo azy. Ny tantara foronina kosa dia azon- dRazafimamonjy Georges ny loka. Marihina fa ny lanonana dia teo ambany fiahian’ny Minisitry ny Kolontsaina sy ny Fizahan-tany. Ny mpikarakara dia ny fianakavian’i Nirhy-Lanto, ny Akademia malagasy, ny Havatsa UPEM, ny CEMDLAC, ny famoaham-boky “Teza boky”. Azo sintonina avy amin’io ny ezaka ataon’ny fianakavian’i Nirhy-Lanto mba hampiroborobo ny literatiora malagasy. Tsy ny fianakaviany ihany no afaka manao hetsika ho fampahafantarana an’i Nirhy-Lanto fa na mpampianatra ihany koa dia afaka manao izany amin’ny alalan’ny fampiasana ireo asa sorany hoenti-mitrandraka lohahevitra samihafa.

3.4.IREO POEZIA MIFANDRAIKA AMIN’NY LOHAHEVITRA ANY AM-PIANARANA Ho fanampiana ireo mpianatra sy mpampianatra ao amin’ny kilasy faharoa, voalohany, famaranana ary hofanatevenana ny fitaovana efa misy dia nofantenanay ireto poezia mifanaraka amin’ny fandaharam-pianarana ireto. Lohatenin’ny Tononkalo Lohahevitra Kilasy Miantso anao anio ny penina Fandrosoana T 10 Fahafahana Fahafahana T 10 Fahendren’ny malina Fahendrena Malagasy T 11 Tsy mba maty Ny marina T 11 Jean Jaurès Ny rariny T 11 Ny Vehivavy Zo hery hasina T 11 Fasana sy Tanindrazana Ny hasin’ny Tanindrazana T 11 Miangatra ny Tany Ny anjara T 12 Ny tsaran’ny Razantsika Ny razana T 12 Andriamanitra mahery Andriamanitra T 12 Tsaroako indray Lahatra T 12

FAFANA FAHAIRAKA AMBIN’NY FOLO Tianay asongadina fa ny hoe « Nirhy-Lanto atody niady amim-bato » dia nalaina avy tamin’ny oha-pitenenana fampiasan’ny olona rehefa manoloana hery roa tsy mifandanja, na koa rehefa tojo hakiviana izy, ka te hampahery tena. Marihina fa 139 izy io dia miraikitra sarin-teny fanovan-javatra, ka i Nirhy-Lanto eto dia omena endrika na oharina amin’ny atody izay mora vaky. Ny hevitry ny vato izay mafy sy maharitra kosa dia miovaova arakaraka ny sehatra nitolomany : teo amin’ny fiainany, ohatra, dia ireo hery tsy hita sy ireo zava-nisy teo amin’ny fiarahamonina no oharina amin’ny vato. Raha teo amin’ny sehatry ny literatiora indray dia ny sakantsakana maro tsy ahafahana mamoaka ireo asa sorany ireo no tandindon’ny vato ; teo amin’ny fiainam-pirenena dia ny fanjanahantany no vato. Avy tamin’ny fahitana ireo sehatra nitoloman’i Nirhy-Lanto ireo àry no ahafahana milaza fa tena « atody niady amim-bato » tokoa izy, saingy tsy potika raha nifandona tamin’ny vato. Raha ny tokony ho izy mantsy, ny atody rehefa mifanandrina amin’ny vato dia potika sy rava, tsy izany anefa no nitranga teto. Araka izany, dia nivoaka ho mpandresy i Nirhy-Lanto tamin’ny ady natrehiny, satria teo amin’ny lafin’ny fiaimpiainany dia tafitany avokoa ireo zanany. Teo amin’ny sehatry literatiora izy, dia afaka namoaka boky miraikitra ny sangan’ asa sy afaka niangaly asa soratra isan-karazany mba ho fanabeazam-boho ny literatiora malagasy, ary teo amin’ny fiainam-pirenena dia ny fahazoana ny fahaleovantena no endrika isehoan’io fandreseny io. Azo oharina amin’ny tantaran’i Davida sy Goliata ny zava-misy eto, ka i Nirhy- Lanto no ilay Davida fa i Goliata kosa, dia ireo hery lehibe nifanandrina taminy. Tsy ny ady nataon’i Davida sy i Goliata no azo raisina ho ohatra eto, fa ao koa ny tantaran’i Trimobe sy Sohitika na Trimobe sy i Kotobekibo ary i Faramalemy .

TENY FAMARANANA Ny literatiora izay fanehoan-kevitra sy fihetseham-po miavaka amin’ny andavanandro no sehatra nirotsahanay, ka ny hoe “Nirhy-Lanto atody niady amim- 140 bato”no niompanan’ny asa fikarohana. Tsapa tamin’izany, fa poeta manana ny maha-izy azy izy. Nasehony tamin’ny alalan’ny fomba filazan-javatra miavaka izany. Tsy takona afenina koa ny fahaizany nampiasa rima sy nisafidy voambolana mifandraika amin’ny zava-misy tateriny, teo amin’ny fiainany sy teo amin’ny fiarahamonina, ka nahafahany nampisongadina ireo angolan-kevitra sy fihetseham- po. Araka izany dia tokony ho fantatry ny taranaka mifandimby ny tolona nimasoan’ity poeta ity mba hanentana azy ireo ho tia tanindrazana. Koa tsy ho sanatria hatao “nahandro tsy re fofona” na “tono tsy re hanitra” ireo zava-bitany. Manaraka izany, na teo aza ireo mari-boninahitra nomen’ny fanjakana Malagasy azy dia ny «Grand Croix de l’Ordre National Malagache, Commandeur de l’Ordre du Mérite de Madagascar, Chevalier du merite Agricole » ho fankasitrahana ireo zava-bitany, tianay mba ho tsangam-bato ho azy koa ity asa ity. Nozarainy telo ny fikarohana: Fizarana voalohany dia nomenay ny lohateniny hoe: Endrika isehoan’ny “Atody niady amim-bato” teo amin’ny fiainany, izay nampahafantarana ny mombamomba an’i Nirhy-Lanto ao anatin’izany ny loharano nipoirany sy ny fiaim- piainany ary ny fanabeazana azony. Niompana tamin’ny ady natrehiny amin’ny maha-olon-tsotra azy: ny ady nifanatrehany tamin’ny hery tsy hita sy ireo zavatra tsy rariny ary tsy marina eo anivon’ny fiarahamonina no nojerena tao amin’ny toko faharoa. Ny toko fahatelo no nitanisana ireo ady natrehany amin’ny maha-mpanakanto azy, dia ny ady ho fampiroboroboana ny talentany sy ny fampivelarana izany ary ny ady amin’ny sivana sy halatahaka . Novelabelarina nandritra ny fizarana faharoa ny endrika isehoan’ny “atody niady amim-bato” teo amin’ny sehatry ny literatiora. Noezahina nofantarina aloha ny sehatra nirotsahana, avy eo nomena ny famaritana ny literatiora sy ny poezia ary ireo singa tsy afa-misaraka amin’ny poezia toy ny poeta, ny mpamaky, ny aingam-panahy, ny talenta, ny kanto. Tao amin’ny toko faharoa ny ady ho fanandratana ny literatiora Malagasy no nojerena, dia ny fiangaliany ny hain-teny, ny fidirana amin’ny fikambanana literera, ny fanoratana amin’ny teny Malagasy. Ny toko fahatelo no nahafahana naneho ny asa soratry Nirhy-Lanto mitondra 141 ny lohateniny hoe: “adin’ny praozy sy ny poezia”, ka nohalalinina ny endrika ivelany sy ny vontoatin-kevitra ary ny maha-kanto azy. Ny fizarana fahatelo no namahavahana ny endrika isehoan’ny “atody niady amim-bato” teo amin’ny fiainam-pirenena, ka navohitra tamin’izany ny ady natrehin’ny mpanoratra nandritra ny fanjanahantany tamin’ny fitakiana ny fahaleovantena sy ny fidirana ho mpikambana tao amin’ny PANAMA sy MDRM. Manaraka izany ny ady ho fampijoroana ny maha-Malagasy dia ny fiarovana ny teny, ny fitehirizana ny tantaram-pirenena, ny fiarovana ny kolon-tsaina, ny fitiavan- tanindrazana, ary ny maha-olomangam-pirenena an’i Nirhy-Lanto no naseho. Taorian’izany dia ny fomba fijerin’ny fianakaviany, ny mpamaky, ny mpanoratra azy no novahavahana. Koa satria toeram-panofanana mpampianatra ny eto (E.N.S) dia nojerena manokana ny poezia mifandraika amin’ny fandaharam-pianarana ao amin’ny ambaratonga faharoa. Tsapa nandritra ny fikarohana fa i Nirhy-Lanto dia nitolona nandritra ny androm-piainany manontolo na teo amin’ny fiaimpiainany na teo amin’ny finoana na sehatry ny literatiora na fiainam-pirenena izany no ilazana fa olomangam-pirenena izy ary mahery fo. Heverinay fa poeta mpitolona i Nirhy-Lanto ary poeta mpisaintsaina, noho izy mijery ny olombelona sy ny fiafarany. Ankoatra izany, dia poeta mpanabe ihany koa izy, satria mitaiza sy manolotra fitsipi-piainana ho an’ny mpamaky. Azo ambara fa izany no nahatonga an’i Lala Rakotoson Raolison Julienne Agnès hanasokajy azy ho mpanoratra amin’ny vanim- potoana ankehitriny ao amin’ny boky Lovako nosoratany. Farany voaporofo nandritra ny asa fikarohana ny maha-atody niady amim- bato azy. “Santatra am-bavarano” ihany izao asa izao. Betsaka anefa ny zavatra azo trandrahana momba ny mpanoratra sy ny asa sorany fa ampahany kely ihany no novelabelarinay. Mbola ao ireo lahatsoratra sy tantara foronina ary sombin-tantara nosoratan’i Nirhy-Lanto izay azo hadihadiana. Inoanay ary fa hanabe-voho ny literatiora Malagasy sy ny fampianarana ambaratonga faharoa izay narosonay teto. IREO BOKY NANOVOZAN-KEVITRA NANDRITRA NY ASA FIKAROHANA

IREO BOKY AMIN’NY TENY FRANTSAY

1- BARTES (R.). Essais critique. Edition du Seuil. Paris 1964

2- CHASSAN G (A.) et SENNIGER (Ch.). Les textes littéraires généraux. 1958 Collection « H.U ». Classique Hachette. Paris

3- CLAUDEL (P.). Réflexion sur la poésie. Edition Gallimard. Paris 1963

4- HUGO (V.). Poésie tome.5. Collection Flambeau. Hachette 1957

5- JOUBERT (J.L.) La poésie. Armand Colin.Bd. St Michel. Paris 1988

6- MONNET (J.) La poésie moderne et sacrée. Edition Gallimard. Paris 1964

7- SAINTE BEUVE Portrait littéraire. Tome 1. Edition Gallimard. Paris 1951

8- SARTRE (J.P) Qu’est-ce que la littérature. Collection Idée. Edition 1948 Gallimard. Paris

9- VIGNY (A.) Poésie Choisie. Librairie Larrousse. Paris 1970

10- WEBER (J.P.) Genèse de l’œuvre poétique. Edition Gallimard. Paris 1960

11- WELLEK (R.) et WARREN (A.) La théorie littéraire. Collection poetique. 1971 Edition du Seuil. Paris

IREO BOKY AMIN’NY TENY MALAGASY

12- ANDRIAMALALA (ED.) Ny fanagasiana. Librairie Mixte. Antananarivo 1974

13- ANDRY ANDRAINA (pseud) Mitaraina ny tany. Librairie Mixte. 1975 Antananarivo

14- DAHLE (L) Ny anganon’ny Ntaolo. Natonta fanitsivy. TPFLM. 1984 Antananarivo

15- HERIMANITRA (L.) Fa ny teny tsy mba miova. Imprimerie adventiste 2000

16- RABEMOLALY (F.). RAVALITERA (J.N.). RAVELOMANANA (H.) Fary mamy. Kilasy famaranana. Trano printy loterana. Antananarivo. 1974

17- RABENOELY (C.) sy RANAIVOARISOA (G.T.) Lovako kilasy fahasivy. 2003 Edition Ambozontany. Analamahitsy

18- RADO (pseud) Dinitra. Natonta fanimbalony.Imprimerie New print. 2000 Nouvelle Immeuble ATELEMEC Ankorondrano Antananarivo

2002 Zo. Natonta fanintelony. Imprimerie New print. Nouvelle Immeuble ATELEMEC Ankorondrano Antananarivo

19- RAHAJARIZAFY (A.) Filozofia Malagasy. Librairie Ambozontany 1970 Fianarantsoa

20- RAINIZANABOLOLONA (J.) Lesona tsotsotra momba ny fianarana poezia. 1914 F.F.M.A. Faravohitra. Antananarivo

21- RAJAONA (S.) Takelaka notsongaina. Boky voalohany. Edition 1972 Ambozotany Fianarantsoa.

1993 Ny zava-kanto vita amin’ny teny . Edition Ambozontany Fianarantsoa

2000 Takelaka notsongaina. Boky 2. Edition Ambozontany. Analamahitsy. Antananarivo

22- RAKOTONIRAINY (J.) Ny marina momba ny M.D.R.M. Collection 1966 Antson’ny Nosy. Printy Iarivo

23- RAKOTOSON (R. J. A. L.) Lovako kilasy faharoa. Edition Ambozontany. 2000 Analamahitsy

2003 Lovako kilasy famaranana. Edition Ambozontany. Analamahitsy 24- RANDRIAMIADANARIVO. Isa ny amontana. Edition Salohy. 1974 Antananarivo

25- RANOE. Tovozin-tsy ritra boky 3. Edition Tsipika 1991 2001 Tovozin-tsy ritra boky 5. Edition Tsipika

26- RAVELOJAONA. Tanindrazana sy firenena ary isika Malagasy. 1973 Imprimerie spéciale Anjohy

27- RAZOHARINORO. Tantara. laharana faha 11 1987

28- SANDRATRA. Tontolo isainana. Amboaran-tononkalo faharoa. 1991 Imprimerie BERTI. Maroroho. Antananarivo

29- ZANAMIHOATRA (R.).Vain’afo tononkira. Librairie Ambozontany 1996 Fianarantsoa

IREO REVIO NA GAZETY SAMIHAFA

30-AINGAM-PIVOARANA.Laharana 6

31-AMBIOKA. Laharana 28. Septambra

32-ANDRY-PILIER.Laharana 93.11Marsa1971

33-HIRATRA. STELARIM. Laharana 5 1987

34-TAKARIVA Laharana 491. 06 Aogositra 1942 35-VALIHA. Laharana 7. 27 Septembra 1992 IREO BOKY NAMOAHAN’I NIRHY-LANTO NY ASA SORANY

36- RAKOTONINDRINA (N.L.) 1996 Rindrambolana. Teza Boky. Antananarivo-Paris 2002 Izaho atody niady amim-bato. Teza Boky. Antananarivo-Paris 2005 Vary faho. Boky voalohany. Teza Boky. Antananarivo-Paris

IREO BOKIM-PIKAROHANA

37- RAHARIMANGA (F.). Ny Avana RAMANANTOANINA et l’identité 1987 nationale. Thèse de Doctorat de troisième cycle. INALCO. Paris.

38- RANIVOARISOA (S.I.). Jean Nalisoa RAVALITERA sy ny tolona araka ny 1997 ahitana taratra ao amin’ny tononkalony. Mémoire de CAPEN. Antananarivo

39- RASOLOMANANA (R.J.). Barthélemy RAJONS. Ny mpanoratra sy ny asa 2001 sorany. Mémoire de CAPEN. Antananarivo

IREO RAKIBOLANA

40- Dictionnaire Larousse tome 8 Librairie Larousse. Paris.1966

41- Dictionnaire Robert des enfants. Imprimerie Robert. Paris 1988

42- Encyclopédie ENCARTA 2005

43- MAL ZAC (R.P) . Dictionnaire Français-Malgache. Société d’édition 1926 géographique. Maritime et coloniale. Paris

44 - LE PETIT LAROUSSE ILLUSTRE. Larousse. Paris 1986

45- RAJEMISA (R.R.). Rakibolana Malagasy. Edition Ambozontany 2003 Analamahitsy Antananarivo

46- RAKOTONAIVO (F.). Rakibolana Frantsay-Malagasy. Natonta 2000 fanindroany .Edition Ambozantany Fianarantsoa

Anarana : HARIMBOLANJATOVONIAINA Fanampiny: Léa Frescia Hollande Lohatenin’ny asa fikarohana : NIRHY-LANTO « ATODY NIADY AMIM- BATO » Isan’ny takila : 136 Isan’ny fafana: 11 Isan’ny sary : 4 Isan’ny kisary : 1

FAMINTINANA

Niompana tamin’ny “maha-atody niady amim-bato” an’i Nirhy-Lanto ny asa fikarohana. Nozaraina telo lehibe izany: • Famantarana ny endrika isehoan’ny atody niady amim-bato teo amin’ny fiainany sy ny fampifandraisana izany amin’ny asa sorany. • Fijerena ny ezaka nataon’i Nirhy-Lanto ho fampiroboroboana ny literatiora malagasy. • Famahavahana ireo tolona natrehin’i Nirhy-Lanto ho an’ny Tanindrazana ary fanaporofoana ny maha-atody niady amim-bato azy.

Adiresy : Antanifotsy B.P 21 Sambava (208). Tél : 032 02 059 95 Mpitarika: Rtoa RAHARIMANGA Fidèle Maître de conférences TOVANA Ireo poezia tsy voarakitra ao anatin’ny boky

Ny nofiko La nature est grande lyre Le poète est l’archet divin Victor Hugo Iny volon-danitra iny, raha jerena, Ka miankotso sy mirako-bolamena Injay mihararetra kosa ’lay lokangako Ka miventy ’rony kalokalo mangako!

Nony sendra voalin-drahona manify Ny mandimby ’lay masoandro ’zay midify Indray mibitaka ’lay tena manontolo Fa mameno ’lay valiha torifoloko!...

Dia mandeha ’zany nofiko miampita Ka misidina any ambadika tsy hita, Raha injay toa hira soa no ren’ny sofiko: Ny lokangako tsy hafa fa ny nofiko!

Ilay valihako mikalo sady manina He toy mety ho mba ho zary valalanina Injao tsy tapaka na ketraka hanjoko: Ny valihako tsy hafa fa ny foko!

Iny volon-danitra iny, raha jerena Ka miankotso sy mirako-bolamena, Injay toa reko fa mandako izay sofiko Irony vetsovetsom-poko sy ny nofiko!

Gazety Ny Mpandinika, lah 940, 09 Janoary 1942 Ry Iarivoko! Hofandraisako tanana amin’i Violette de parme

O ! ry foko kotsakotsa, maty va ’lay kalo manga ? Mitsangàna, misehoa, indro raiso ity lokanga, Dia topazo maso indray ’lay Iarivo nitsangana Fa ny diako ankehitriny, eny mantsy fa tsy tana Ry Iarivo mamiko ô! Feno rano izao ny tavako Ka hapetrako aminao ’lay sahondran’ny fitiavako Ry Iarivoko tsy foiko, mihirata fa hirahiko Mba hanao veloma anao ’ty tolokon’ny fanahiko.

Ry Iarivo loharano, lapa soan’ny hirahirako… Dify teo ny rentinao, lanton-tsandry namikirako Fa voatery izao ny foko, eny tery tsy safidiny Mba handao ny tsikinao fa hanefa indray ny adidiny Na ny rivotra, eny lahy, rantsana nisafosafo, Na ny hanitra lalaony, feno sy nitafotafo, Samy sary tsy ho lefy, tsy ho tonta, tsy ho potraka Fa mpitantana ny foko, fony tsontsa sady trotraka.

Mbola ho kitihiko eto ireo tadin’ny gitarako Raha hanao veloma anao, ô! Ry dobo manga tsarako! Indro fara-jery sisa , fara-jery mahonena, Dia hipitrapitra foana ireto masoko jambena… He indrisy fa ho dify, izany tavanao sariaka, Ny vintana mibaiko toa mahery sy masiaka!... Ry Iarivo malala, he ny foko fa tomany Nefa hotsaroako ianao, raha tany koa ny tany.

Nirhy-Lanto, in gazety Takariva, lah 484, 18 Jona 1942 Ilay foko misaona …Si quelques souvenir Vient ouvrir ma blessure J’aime mêler ma deuil Au deuil de la nature J. Delille (1738-1813)

Eo an-tendronao ry lasa! Ô!ry lasa tsy hiverina Izany tsiahiko mahantra No kasaiko mba haterina. Teo anivonao indrindra Tena hipoka tsy fidiny Lay kapoakako mafaitra Nampifafy ny mangidiny. Ô! indrisy teo tokoa … tery setra fa tsy sitrako No gorobaka tsy satry Ilay somizo ‘zay navitriko!

Zary nofinofy mantsy Nefa nofy saron-drahona Lay segondra nanendreko ny kalisy feno vahona: Nivandiditra ny foko, Nolazoin’ny ketraketraka Ka ny fara hery sisa. nitampify sy nipetraka. Ô! tsy vasoka tsy akory, Mbola tsinjoko eto ihany, Ilay mosoara kotsakotsa, Novontosako tomany. Molo-jazavavy ve? Tsy mba miafina ny tarany, Ho mikararàna ery `lay fitiavana nambarany; Fa toa mihoso-menaka aza Zany lelany malama: Indro rendrika ny foko, Jamba tamin-kadalana; Tsy ny fony manontolo, fa ny silaky ny antsasany, No natolony ny foko Zary naratra fa voarasany.

Ry minitra! Ankehitriny, no fohaziko hiboraka Ilay tantara hafahafa, ilay tantara mampangoraka: Iry havoana mahonena rakotry ny antsanga maina io dia io no rangolahy, ho an’ny foko be taraina. Ao milevina ao indrisy!... …`lay fitiavako tanora Ao an’irotra ao indrindra no nandriany moramora.

Gazety TAKARIVA, lah 486, 02 Jolay 1942

Madagasikara Fa `zay tena Gasikarako, ô! henoy fa teneniko, Sady izany indrindra koa no nandraisako ny peniko.

“Ry Iarivo, Antsirabe: samy kanto sady soa, “Na ry Monjanga Madera,`zay tsy ho hadinoiko koa, “Hell Ville, Diégo, Tamatave, Maroantsetra, Morondava,Tuléar, sy ny maro indray etsetra.

Na ny mainty na ny fotsy, na ny ngita volo koa: Samy Malagasy tiako ka iriko mba ho soa; Ary ireo `zay revo tory ao anaty faritaniny: Samy mamiko daholo, fa ny ra dia iraisako aminy.

“Ao no havoana tsy hita isa, maro sy mitomandavana, “Sy loharano maintso, meva sady mavamavana, Misy ny andro mangatsiaka, tany miaina mitokiky, “Nefa tsy ela dia miseho, `lay masoandro feno tsiky;

“Bongolava, Bemaraha, na Andringitra sy Ankaratra, “Tany ngazana sy mena, any atsimo sy ny avaratra, “Renirano sesehena: Betsiboka na i Sofia, “Na ry Maningory koa, i Mahavavy, i Mania,

“Irony rahona mitraho, nony sendra fahavaratra, “Na `lay lamba vilaory, amin’ny endrika tomaratra, “Irony erika manify, ireny rivo-mahafanina, “Na `lay andro tonitony, mampanembona ny manina.

“Ary izao fitenintsika, lova tsara vako-drazana, “Miampy izato fomba hafa, mahavakoka ny mpitazana, Ireo rehetra ireo zareo,ary koa na vovo-tany! Dia afatory mba hiray ireo rehetra nolazaiko: Zava-tokana, tsy roa, izay voasikotra ato an-tsaiko No ho hitanao mivela, saro-bidy sady tsara… Inona ary izany moa? Io no Madagasikara.

Io no Madagasikara, mamiko tsy ho hadinoiko, Io no Madagasikara, feno rakitra tsy foiko… Teo ny razana taloha, teo ny tsiahy soa fahiny, Teo ny tsiky fahazaza no niseho tsisy tsiny!

Misehoa ankehitriny ô! ry teraky ny nosy “Fitrangana ho modely” io no zavatra ilofosy.

Nirhy-Lanto Gazety TAKARIVA, lah 491, 06 Aogositra 1942

Manodoka ! Malomaloka ny tazana, Ka ny ringiringin-tendro Toa mitafy fendrofendro, Zary hafa fa tsy ngazana.

Erikerika niraraka, No nampiofo ny tontolo Mba ho jefijefy volo Nefa anie ka tany haraka!

Ny alokaloka sy ny orana Hay va re ka manodoka, Raha sendra ka fatorana ? Fa ny rivotra motsoka, Na ny taratra mitsoka Dia tsy sarin-kasosorana.

Pika Harisoa, gazety Malagasy Vaovao, lah 450, 27 May 1955

Resy Raondraona no re any ho any! Hay ka akon’ny riam-bato ihany No manako any am-poko toran-tany? Rivodrivotra injay no mitsoka Hofa lamban’ny vola-misoka Sa veloman’ny fo mijonoka.

Gazety Malagasy Vaovao, lah 555, 30 Septambra 1955 Lanonana Eran-tany eran-tany sy eran-danitra, Samy feno fofo-manitra: Veroverom-pifaliana, Veroverom-pitsikiana! Samy faly somaritaka. Ny rehetra ka mibitaka, Samy ampoka daholo, Ny tanana, ny tontolo! Holalaina, ho tohizana Ny efa tsara nikiraizana, Ka ho velona ao anaty Ny firaisana tsy ho maty. Irin-ko-tavela Ny sisan’ny ela Pika Harisoa, in gazety Malagasy Vaovao, lah 704, 30 Marsa 1956 Niserasera ireo narisarisa Ka nalaky disadisa. Fa niresaresa ny nirosarosa, Ireo nidola teny aoriana kosa!

Ny risoriso dia nanorisory, Tsy nitsimbina izay izay havana ory. Voarasarasa toy ny sarisary Ilay fitia vinaky teny ankarihary.

Ny sirasira nonarosoroso, Tsy nitsimbina toy ny vaton-doso: Na samy zaza ireo sy kely hery, Fa resiresy tran’ny serisery

Nirhy-Lanto, in gazety Valiha,1993 LOKA Nirhy-Lanto FITSIPIKA

Andininy 1: Ny fianakavian’i Nirhy-lanto miaraka amin’ny HAVATSA UPEM dia manomana fifaninanana famoronana asasoratra mitondra ny anarana hoe: “LOKA NIRHY LANTO, RINDRAMBOLANA SY KOLONTENY”. Afaka misafidy malalaka sy lohahevitra tiany hanompanana sanganasany sy mpifaninana.

Andininy 2: Afaka mandray anjara amin’ny fifaninanana ny olomp-pirenena malagasy, eto an-toerana sy any ivelany.

Andininy 3: Afaka mifaninana amin’ny iray na roa na izy telo miaraka amin’ireto sokajy ireto ny mpandray anjara: -Amboaran-tonokalo -Amboaran-tsomintantara -Tantara foronina Marihin’ny mpifaninana tsara ny sokajy andraisany anjara Andininy 4: Asasoratra iray isaky ny sokajy iray ihany no azon’ny mpifaninana alefa Andininy 5: Ny mpifaninana dia olona iray fa tsy vondronolona na fikambanana Andininy 6: Amin’ny teny malagasy ofisialy no anoratana ny asasoratra Andininy 7: Ny amboaran-tonokalo ahitana tonokalo 40 ka hatramin’ny 50 isa raha be indrindra ary tsy latsaky ny 50 takila ary tsy mihoatra ny 70 takila.

Andininy 8: Ny amboaran-tonokalo dia ahitana sombin-tantara 7 ary ny amboara dia tsy latsaky ny 50 takila ary tsy mihoatra ny 70 takila.

Andininy 9: Ny tantara foronina dia tsy latsaky ny 100 takila. Andininy 10: Ataon’ny mpifaninana izay maha-mendrika ny fanehoana ny sanganasa alefa hifaninana. - Atao soramilina na solosaina ny asasoratra - Taratasy mirefy 21sm x 29,7 sm no ampiasaina ary ny lafiny iray ihany no anoratana - Ho an’ny sombin-tantara sy tantara foronina dia asiana elanelan’andalana iray sy sasany. - Ny haben’ny tarehin-tsoratra dia Times New Roman - Ny ambony sy ny ambany amin’ny taratasy dia asiana elanelana mirefy 2,5sm; amin’ny ilany havia kosa dia elanelana 3,5sm, ary amin’ny havanana dia 1,5sm. - Atao mazava tsara ny mariky ny takila - Akambana tsara ireo takila mandrafitra ny sanganasa atolotra. (Reluire) Andininy 11: Ny sanganasa alefa hifaninana dia tsy mbola nivoaka boky. Andininy 12: Atao anaty valopy lehibe ny asa vita dika telo mitovy efa voatambatra tsara, ka tsy asiana solon’anarana (pseudonyme), na anarana, na sonia. Ny anaran’ny mpifaninana sy ny adiresiny mazava kosa, dia atao anaty valopy kely mihidy, ka ampidirina ao anatin’ny valopy lehibe voalaza teo. Andininy 13: Ny sanganasa dia avantana amin’izao adiresy izao: FIFANINANANA “LOKA NIRHY LANTO, RINDRAM-BOLANA SY KOLOTENY” Fikambanan’ny Poety sy Mpanoratra Malagasy- HAVATSA-UPEM TAHALA RARIHASINA- ANALAKELY- ANTANANARIVO 101

Andininy 14: Ny fotoana farany handraisana ny sanganasa dia amin’ny 12 ora antoandro ny: -31 janoary 2006 (tononkalo, sombintantara) -29 aprily 2006 (tantara foronina) Marihina fa samy azo atao na ny mandefa ny sanganansa amin’ny alalan’ny paositra na ny manatitra izany an-tanana amin’ny adiresy voalaza etsy ambony.

Andininy 15: Ny fianakaviana sy ny HAVATSA no manendry ny mpitsara. Ny fanapahana-kevitry ny mpitsara dia tsy azo iverenana intsony

Andininy 16: Toy izao no fitsinjiran’ny loka:

Voalohany Faharoa Fahatelo TONONKALO Ar 400.000 Ar 300.000 Ar 200.00 SOMBINTANTARA Ar 400.000 Ar 300.000 Ar 200.00 TANTARA FORONINA Ar 600.000 Ar 400.000 Ar 200.000 Andininy 17: Azon’ny mpitsara atao ny tsy manome loka raha tsy misy mahafa- po azy ireo sy ny asa soratra

Andininy 18: Ny sanganasa natolotra dia tsy averina amin’ny tompony, fa anjaran’ny mpifaninana no mitazona kopia sy tahiry ho azy

Andininy 19: Ny fanambarana sy fizarana sy ny loka amin’ireo sokajy telo ifaninanana dia ny volana jolay 2006

Andininy 20: Ny fandraisana anjara amin’ity fifaninanana ity dia midika ho fanekena izao fitsipika izao Anarana : HARIMBOLANJATOVONIAINA Fanampiny: Léa Frescia Hollande Lohatenin’ny asa fikarohana : NIRHY-LANTO « ATODY NIADY AMIM- BATO » Isan’ny takila : 136 Isan’ny fafana: 11 Isan’ny sary : 4 Isan’ny kisary : 1

FAMINTINANA

Niompana tamin’ny “maha-atody niady amim-bato” an’i Nirhy-Lanto ny asa fikarohana. Nozaraina telo lehibe izany: • Famantarana ny endrika isehoan’ny atody niady amim-bato teo amin’ny fiainany sy ny fampifandraisana izany amin’ny asa sorany. • Fijerena ny ezaka nataon’i Nirhy-Lanto ho fampiroboroboana ny literatiora malagasy. • Famahavahana ireo tolona natrehin’i Nirhy-Lanto ho an’ny Tanindrazana ary fanaporofoana ny maha-atody niady amim-bato azy.

Adiresy : Antanifotsy B.P 21 Sambava (208). Tél : 032 02 059 95 Mpitarika: Rtoa RAHARIMANGA Fidèle Maître de conférences