UNIVERSITE D' ECOLE NORMALE SUPERIEURE

DEPARTEMENT DE LA FORMATION INITIALE

CER LANGUE ET LETTRES MALGACHES

MEMOIRE POUR L'OBTENTION DU C.A.P.E.N.

BOKY FAHAROA

PRESENTE PAR RAZAFIMANDIMBY Andrialalaina Hajanirina ALFRED

Directeur de recherche Ramatoa RAHARIMANGA Fidèle Maître de conférences

Date de soutenance : 22 Août 2007 TENY FISAORANA

« Fa ny fahasoavan 'Andriamanitra no naha-toy izao ahy » I kor 15 : 10

Fifaliana lehibe ho anay tokoa ny fahavitan'izao asa izao, koa tsy hainay ny tsy hisaotra ireo rehetra niara-nisalahy tarninay ka nahatontosa izao asa fikarohana izao: "Ny vato aza, hono, raha nahitana soa hosora-menaka".

Isaorana. Voalohany, Andriamanitra fa izy no nipoiran'izao tontolo izao. Ny fîtiavany no nitantana ny dianay ka tratra soa izao tanjona izao. Ho azy, anie, ny voninahitra hatramin'ny taloha indrindra ka ho mandrakizay.

Eny, Andriamatoa filoha, fantatray ny adidy aman'andraikitra sahaninao nefa tsy mba nanosi-bohon-tanana anay ianao fa nanaiky hitarika izao asa fitsarana izao ka nahafoy andro sy fotoana hamakiana sy hanitsiana ny asany. "Hambinin-java- manasatra, anie, ianao".

Toloranay fisaorana ihany koa ianao Andriamatoa mpitsara, nanaiky hitsara anay amin'izao asa izao na maro aza ny andraikitra sahaninao koa mankasitraka eram- po eran-tsaina tompoko.

Singanina manokana koa ianao, Ramatoa mpampiaka-teny, mpampianatra mpitarika anay. Ianao no fanilo nitsilo hatrany ny dianay. Tsy nitandro hasasarana tamin'ny fanitsiana ny asa, ary nanaiky hoelingelenina tamin'ny fotoana rehetra. Nikely aina fatratra ianao mba hahatafita anay koa omenay fankatelemana. Homba anao Andriamanitra ary hahita rariny amin'izay asa efa niantsoany anao, ianao.

Isaorana ny vady aman-janaky ARNi sy ny fianakaviany.

Isaorana ny faribolana SANDRATRA.

Tsy azo odian-tsy hita ianareo mpampianatra sy mpanabe rehetra tato amin'ny sekoly. Nanao izay tandrify anareo mba hahatomombana antsakany sy andavany ny fampitam-pahalalana taminay tato amin'ny toeram-piofanana nandritra ny 5 taona. "Ny hazo no vanon-ko lakana, hono, ny tany naniriany no tsara". Isaorana ianareo vady aman-janaka, feno dia feno ny fo noho ireo fanohanana sy torohevitra ary famporisihana nataonareo tamin'izao asa fikarohana izao. Ary, ianareo fîanakaviana, tapaka sy namana, indrindra indrindra, ireo izay nifanome tanana taminay, ka nahatanterahana izao asa izao : "Ny andon'ny lanitra sy ny tsiron'ny tany, anie, hirotsaka aminareo". Fisaorana sy fankasitrahana feno, tompoko no omenay anareo rehetra ireo.

Haja RAZAFIMANDIMBY FANONDROAN-TAKILA

Lohateny Takila TENY FISAORANA TENY FAMPIDIRANA...... 1

FIZARANA I: NY MOMBA NY MPANORATRA

TOKO I: ARNi SY NY FIAINANY AMIN'NY MAHA-OLON-TSOTRA AZY...... 7 1. Ny tontolo nipoirany...... 7 2. Ny fahazazany...... 10 3. Ny fahatanorany...... 11 4. I ARNi sy ny fiarahamonina...... 12 5. Ny tokantranony...... 13

TOKO II: I ARNi SY N Y LITERATIORA...... 15 1. Ny nahatonga azy ho mpanoratra...... 15 2. Ny fivelaran'ny talentany...... 17 3. Ny mpanoratra sy ny asasoratra...... 18

TOKO III: IREO TARAKEVITRA NOVOIZIN'NY MPANORATRA...... 20 1. Amin'ny ankapobeny ...... 20 2. Amin'ny antsipirihany...... 20

FIZARANA II: NY TSY FAHALAVORARIAN'NY FIARAHAMONINA TARAFINA AO AMIN'NY ASASORATRA'I ARNi

TOKO I: NY MADINIKA SY NY FIAINANY ARAKA NY AHITANA AZY AO AMIN'NY ASASORATR'I ARNi...... 23 1. Famaritana ...... 23 2. Ny vahoaka madinika sy ny hanoanana...... 25 2.1. Ny hanoanana ara-batana...... 26 2.2. Ny hanoanana ara-tsaina ...... 31 2.3. Ny hanoanana ara-panahy...... 34 3. Ny vahoaka madinika sy ny herin'ny vola...... 36 4. Ny madinika sy ny fonenany...... 40 5. Ny madinika sy ny toe-tsaina...... 42 6. Ny madinika sy ny fitondram-panjakana...... 46 7. Ny vahoaka sy ny lalàna...... 50

TOKO II: NY ZAVA-MIANJADY AMIN'NY MADINIKA ...... 53 1. Famaritana ...... 53 2. Ny fampiorenana ny fitondrana...... 55 2.1. Ny fanamparam-pahefana...... 55 2.2. Ny fampiasan-kery...... 58 2.3. Fihazana sy fanilihana ireo sokajin'olona sasany ...... 61 3. Fambaboana ny fon'ny vahoaka...... 63 3.1. Fanakonana ny atao ety ivelany...... 63 3.2. Fambaboana amin'ny alalan'ny teny sy fihetsika...... 66 4. Ny tanjona kendreny...... 68 4.1. Ny fahazoan-karena...... 68 4.2. Ny fahazoana ny fahefana rehetra...... 71

TOKO III: TOLONA ATAON'I ARNi MANOLOANA IZANY...... 74 1. Ny andraikitry ny poeta...... 74 2. Ny andraikitry ny poeta amin'ny maha mpitolona azy...... 78 2.1. Ny andraikitr'i ARNi manoloana ny mpitondra...... 78 2.2. Ny andraikitr’i ARNi eo anivon'ny vahoaka...... 82

FIZARANA III: NY FOMBA FANEHOAN-KEVITRY NY MPANORATRA

TOKO I: NY FILALAOVANA AMIN'NY ENDRIKA IVELAN' NY TONONKALO...... 91 1. Ny lohateny...... 93 1.1. Ny lohateny mazava...... 93 1.2. Ny tsy misy lohateny...... 95 2. Filalaovana amin'ny andalana ...... 95 2.1. Ny andalana fohy...... 95 2.2. Ny andalana antonony ...... 96 2.3. Ny andalana lava...... 98 2.4. Ny andalana mifangaro...... 98 3. Ny filalaovana amin'ny andininy...... 100 3.1. Ireo tononkalo amina lasitra hentitra...... 101 3.2. Ireo tononkalo ahitana andininy tsy mitovy ny isana andalana ...... 106 4. Ny mari-piatoana...... 109 4.1. Ny fampiasana teboka telo ...... 109 4.2. Ny fampiasana tsoraka ...... 112 4.3. Ny fampiasana baraingo...... 113 5. Bika amana endriky ny tononkalo...... 115 5.1. Ny tononkalo manana endrika tsotra na klasika...... 115 5.2. Ny tononkalo miendrika kisarisary...... 116 5.3. Ny tononkalo manaraka endrika T...... 117 5.4. Ny tononkalo manana endrika kibasibasy...... 117 6. Ny rima...... 117 6.1. Ny rima araka ny laharam-pisehoany...... 120 6.2. Ny rima araka ny hafenoany...... 122 7. Ny ngadona...... 124

TOKO II: NY FILALAOVANA AMIN'NY TENY SY SARINTENY...... 128 1. Ny voambolana tsy mahazatra nampisain’i ARNi...... 128 1.1. Ny voambolana nalaina tao amin'ny Baiboly...... 128 1.2. Ny matoanteny ...... 130 1.3. Ny fampiasana anaram-biby...... 132 1.4. Fampiasana mpamaritra loko ilazana anarana ...... 134 1.5. Ny fampiasana sora-baventy...... 135 1.6. Ny fampiasana anarana...... 136 2. Ny sarinteny...... 136 2.1. Ny sarinteny miorina amin'ny tamberin-javatra...... 137 2.2. Ny sarinteny miorina amin'ny fanovana endri-javatra ...... 144 2.3. Ireo sarinteny hafa...... 146 FEHINY...... 148 TENY FAMARANANA...... 149 TOVANA TAHIRIN-KEVITRA FAFANA

* Fafana 01 : Fafana mampiseho ny taona sy ny asasoratra...... 15 * Fafana 02: Piramida maneho ny fafana 01...... 16 * Fafana 03: Tara-kevitra ao amin’ny asasoratra...... 20 * Fafana 04: Tara-kevitry ny tolona...... 21 * Fafana 05: maneho ny bika amana endriky ny tononkalo...... 118 * Fafana 06: maneho ny isan'ireo tononkalo ahitana anaphore...... 142

FANAFOHEZAN-TENY

• ARNi: Andrianjafy RABEKOTROKA Nirina • V.A: Vondrona Ambara • Lah: Laharana • Tak: Takila • And: Andininy • Andl: Andalany • Ed: Edition • Col: Collection

TENY FAMPIDIRANA

Manao asa fikarohana ny mpianatra tsirairay eto amin'ny Ecole Normale Supérieure mba hahazoana ny maripahaizana CAPEN (Certificat d'Aptitude Pédagogique de l'Ecole Normale). Tsy ho fanenjehana maripahaizana fotsiny izany, fa hanehoana ny maha-mpampianatra mahay mikaroka sy mandamina ary mahay mampita ireo zava-pantany sy ny fahalalany any amin'ny asa fampianarana any aoriana.

01 – Ny sehatra nirotsahana. Koa dia nifidy ny literatiora izahay anohanana izany asa fikarohana izany. Tsy fanilihana ireo zana-taranja hafa toy ny riba, na ny haiteny, na ny fanatsarana ny fampianarana akory, fa misy antony nironanay bebe kokoa taminy. Mbola mizara ho roa koa aza ny literatiora: ny am-bava sy ny an-tsoratra. Niantefa tamin'ity farany ny asa.

02 – Anton’ny safidy. Maharitra sady voatahiry, mantsy, izy amin'ny maha-soratra azy ka misy holovain'ny taranaka mandimby. Anterin'i François RAKOTONAIVO izany ka hoy izy: ”Ny soratra izay mivela mantsy dia lovan-tsaina sarobidy ho an’ny taranaka, ka hipetraka maharitra ho vavolombelona”1 . Manaraka izany, fampiasan-tsaina koa izy. Tsy mamela ny saina hionona amin'ny hevitra tokana fa manentana azy hikaroka hevitra maro sy lalina. Hoy i R. ZANAMIHOATRA manambara izany: ”Ny ilaina dia ny hahazatra ny zatovo hahay hanakatra hevi-dalina sy hahatsinjo izay miery ao ambadiky ny fisainan'ny hafa na toinona na toinona endrika isehoan’izany”2. Ankoatra izany, fitaovana fampitan-kafatra sy fampahalalana ny zava-misy koa ny literatiora. Kendrena amin'izany ny fanamboarana ny toe-tsaina mba hitovy fijery manoloana ny toe-javatra iray iainana andavanandro. Vokatr’izany, teraka ny filaminana. mipoitra ny fifankahazoana eo amin'ny mpiaramonina ary manerana ny firenena mihitsy aza. Manatitrantitra izay i (Ch) RAVOAJANAHARY hoe: ”Tsy misy fiaraha-monina milamina raha tsy eo ny literatiora”3 . Mbola maha harena sarobidy ny literatiora koa ny fanambarany ny zava-misy

1 (F) RAKOTONAIVO : Ny diampenin’i Avana RAMANANTOANINA (1891-1940), Ambozontany, Fianarantsoa, 1993, tak 4 2 (R) ZANAMIHOATRA : Vainafo tononkira, Ambozontany, Fianarantsoa, 1969 in teny mialoha, tak 8 3 (Ch) RAVOAJANAHARY : « Ny literatiora Malagasy », Fanasina, lah 539, 15 Février 1968

9 iainan'ny firenena hatramin'ny ela ka mandraka ankehitriny ary ny hoavy. Toy ny kofehy mampitohy ireo vanim-potoana ireo izy. Mifandraika amin'izany ny filazan'i R. ZANAMIHOATRA hoe: ”Mitahiry ny fahaveloman'ny firenena tsy ho tapaka ao amin’ny ladina ifampitohizan'ny fiainan'ny fahiny sy; ny ankehitriny ary ny ho avy ny literatiora”4. Koa heverinay fa fitaovana mahomby sady maharitra hikolokoloana ny saina sy hanovozan-kevitra ary hahafantarana ny zava-misy niainana sy atrehina ny literatiora. Nitady mpanoratra ary izahay, noho izany, hanehoana ny anjara toeran'ity literatora ity. Maro ireo mpanoratra Malagasy azo anaovana asa fikarohana. Samy mana- talenta ary samy manana ny maha-izy azy. Notsongainay manokana i ARNi noho ireto antony ireto: - Efa maty izy, kanefa vitsy ireo mahafantatra azy. - Maro ireo asa soratra novokariny ka tsara raha fantatry ny besinimaro, - Mety hilain'ny mpampianatra sy ny mpianatra ary ny firenena ihany koa izany asa soratra izany.

03 – Zava-kendrena. Ny zavatra rehetra atao, dia misy zava-kendrena foana. Koa noheverinay fa anisan'izany ireto lafin-javatra maromaro ireto: - Ho fampahafantarana ny mpanoratra sy ny asasorany. Tsy tokony havela ho very momoka, mantsy, ireny asasoratra ireny. Avy aminy no itarafana ny fivoaran'ny fiarahamonina sy ny olona ao anatiny ary ny firenena. Voalazan'i Fanomezana RABEMOLALY, mantsy, fa: "Ny haisoratra no vavolombelona itarafana izay fivoarana vitan’ny firenena tsirairay avy”5. - Ho fanatevenana ny fahalalan'ny mpampianatra sy ny mpianatra eo amin'ny asa fampianarana. - Hahafantaran'ny olona rehetra ny zava-nisy tamin'ny vanim-potoana nanoratan'ny mpanoratra. - Mba hitiavan'ny olona literatiora Malagasy: na ny teniny na ny hevitry ny teniny. Tsy vita tsy aman-tetika sy paika ny asa fîkarohana. Misy ary ireo haitsikera

4 (R) ZANAMIHOATRA : Vainafo tononkira, op.cit. teny mialoha, tak 5 5 (F) RABEMOLALY, RAVALITERA (J.N), (H) RAVELOJAONA, Fary mamy, kilasy famaranana, Edisiona Salohy, Antananarivo, 1980, tak 6 nampiasainay tamin'izany satria mila fitaovana mifandraika amin'izany raha te ho tojo ny zava-kendrena.

04 – Haitsikera nampiasaina. Nentina nanatontosana ny asa àry ny haitsikera ara-tantaram-piainan'ny mpanoratra. Nanaraka izany ry Sainte BEUVE, ry HEVETIUS, ry LANSON. ry Hyppolite TAINE. Mety ho voasaringotra tsy nahy ao amin'ny asasorany ny toe-javatra niainan'ny mpanoratra, na koa ny tena zava-nisy niainany. Noho izany, heverinay fa tsara ny hahafantarana ny tantaran'ny mpanoratra: ny tontolo niainany, ny asany, ny karazany sy ny sisa. Nilaza toy izao, mantsy, i Sainte BEUVE: “[ ] sarotra amiko ny mitsara azy raha tsy fantatra ny olona, ary ambarako tsy ampisalasalana fa arakaraka ny hazo ny voany”6. Ahazoana milaza izany fa taratry ny fiarahamonina niainana, iainana ary maneho ny fomba fijeriny ny zava-misy eo amin'ny tontolo misy azy ny asasoratra. Izany hoe tsy afa-mihataka amin'ny asasorany ny mpanoratra. Manantitra izany Ramatoa RAHARIMANGA Fidèle manao hoe: "Tsy afa-misaraka ny mpanoratra sy ny asasoratra”7 . Na izany aza, anefa, tsy ny fiainany manontolo kosa ny.ho hita taratra ao. Mety ho sombim-piainany, mety ho ampahany fotsiny, mety ho trangan-javatra manokana nanaitra azy na nidona taminy teo amin'ny fiainany. Voalazain’i GOETTE ao amin'ny nitateran'i R. WELLEK sy i A. WARREN izany manao hoe: "Na dia misy ifandraisany tokoa aza ny asasoratra sy ny fiainan’ny mpanoratra, dia tsy azo tsoahina avy hatrany ho dika mitovin’ny fiainany ny asasorany”8. Manantitra izany koa i (Ch) RAVOAJANAHARY araka ny voasorany manao hoe: "Raha tsy mandinika ny tantaram-pirenena isika, dia mety hihevitra fa ny toe- tsaina, ny fihetseham-po hitantsika ao anatin’ny lahatsoratra na tononkalo dia ohatry ny zava-midona tamin’ilay mpanoralra, ka hevitra hitany samirery. Ary hivaona mihitsy ny fahafantarana ny literatiora”9 .

6 Notaterin’i (A) CHASSANG et (Ch) DENNINGER ; Les textes littéraires généraux, collection « HU » classique hachette, 1958, p 459 : « Il est difficile de juger indépendamment de la connaissance de l’homme, et je disais volontiers, tel arbre, tel fruit » 7 (F) RAHARIMANGA : Ny Avana RAMANANTOANINA et l’identité nationale, thèse de doctorat de 3e cycle, Institut national des langues et civilisation orientale, Paris, 1987, p 09 : « la vie d’un écrivain est inséparable de son œuvre » 8 (R) WELLEK et (A) WARREN : La théorie littéraire, coll. Poétique, Ed seuil, Paris 1971, p 105 : « Même lorsqu’il y a un rapport étroit entre l’œuvre et la vie d’un auteur, il ne faut en inférer que l’œuvre n’est qu’une copie de la vie » 9 (Ch) RAVOAJANAHARY, Ny literatiora malagasy, Fanasina, lah 539, 15 Fev 1968

11 Raha ireo voalaza etsy ambony no fehezina, dia tsy ampy ahafantarana ny tantaram-piainan'ny mpanoratra akory ny asasorany fa izay mifandray amin'izany ihany no taterinay eto. Tsy nionona fotsiny tamin'ny haitsikera tokana izahay, noho izany. Voalazan'i B.D Solohery RANARISON fa: “tsy misy haitsikera tokana ahazoana mandinika ny asa amin’ny lafiny rehetra, petra-kevitra samy hafa no hiaingan’ny mpanao tsikera arakaraka izay lafy kendrena hivohitra”10. Manoloana izany fiheverana izany, nampiasainay koa ny haitsikera ara-tantara teo amin'ny fiarahamonina sy ny firenena mba hahazoana tsara ny asasoratra: ny vanim- potoana hatreo amin'ny taona 1979 nanombohan'i ARNi nanoratra ka hatramin'ny 1993 nahafatesany no tianay hambara amin'izany. Fomba iray ahazoana manazava ny asasoratra io, satria, manambara ny zava- misy, ny fisainan'ny mpiara-belona, ny endriky ny fitondrana. I Ch RAVOAJANAHARY dia manambara fa: "Olombelona miara-miasa amin’ny olona mpiray tanindrazana aminy ny mpanoratra, taratry ny fiainana niainany no avoakany. vetsovetsom-pony, sy hetahetam-panahiny, ny fjsaintsainany izay tsy maintsy iraisany amin’ny mpiarabelona aminy”11.

Ankoatra izany, satria ny asasoratr’i ARNi dia tononkalo avokoa, misy ny rafitra sy ny endrika nomeny ireo asasorany ireo. Noho izany, nampiasainay koa ny haitsikera ara-drafitra. Nilaza izany koa ny Petit Larousse illustré fa: “ny haitsikera ara-drafitra dia mifototra betsaka amin’ny fanadihadiana ny endrika amam-bikan’ny asasoratra iray”12. Ireo haitsikera ireo no nampisainay hahatomombana ny asa fikarohana. Eo amin'ny asa fikarohana toy itony, matetika misy foana ny olona nosetraina.

05 – Ny olana. Maro ireo olana tsapa teo am-panatanterahana ny asa: - Eo ny tsy fahazoana ny hevitra nilafika tao an-tsain'ny mpanoratra noho izy efa nodimandry. - Eo koa ny tsy fahampian'ny fîtaovana hoenti-manatanteraka ny asa: vata

10 B.D.S RANARISON « Ny haitsikera fampiasa amin’ny fandinihana haisoratra », aingam-pivoarana, lah. Manokana, FIMPATEMA, Antananarivo, 1979, tak 71 11 (Ch) RAVOAJANAHARY, Ny tantaran’ny haisoratra 1896-1915, STELARIM, Antananarivo, 1973, Fiz I 12 Petit Larousse illustré, librairie LAROUSSE, Paris 1980, p 44 « Formalisme : Attachement excessif aux formes, aux formalités » fandraisam-peo, fakantsary, sns ... - Tsy afaka nivelatra loatra tamin'ny fanadihadiana natao tamin'ny fianakavian'i ARNi sao "mamoha fota-mandry". - Ny tsy fahitana loatra ireo tahirin-kevitra sy ny fahasarotana amin'ireny fidirana amin'ny tranomboky ireny. Na teo aza ireo fahasarotana samihafa ireo dia noezahana novahana ihany:

06 – Vahaolana. - Mbola tsy mikombona ny fery teo amin'ny fandaozana ny fïanakaviana ka nanano sarotra ny fifanakalozan-kevitra teo amin'ny fanadihadiana. Na izany aza, anefa, dia nahazo valiny ihany izahay nanaovana izao asa fikarohana izao. - Nanadihady ireo namany akaiky koa izahay, nanampiana ireo izay tsy feno. - Noezahinay ny hahitana araka izay azo atao ireo tahirin-kevitra niely patrana tany amin'ny olona tany, ary teny amin'ny tranomboky isan-karazany. Tsy ho àry ho voatrandraka avokoa ireo tarakevitra ao amin'ny asasoratr'i ARNi. Noho izany, voafetra koa ny asa izay nataonay.

07 – Fetran’ny asa. Maro ny lafin-javatra na lohahevitra azo hadihadiana ao amin'ny asasoratr'izany lehilahy izany. Ampahany izay mahakasika ny lohateny hoe: "ARNi sy ny vahoaka madinika" ihany no nokirakirainay. "Santatra am-bava rano" izany. Mbola azo atao, araka izany, ny mandalina amin'ny sehatra hafa ny asasoratr'i ARNi toy ny fitiavana na ny literatiora.

08 – Drafitry ny asa. Mba ho fitarihana ny mpamaky, dia toy izao ny lalan-tsaina narahina tamin'ny fandrafetana izao asa fikarohana izao. Nozarainay telo izany: Ao amin'ny fizarana voalohany no hamahavahanay ny momba ny mpanoratra: - Ny tantaram-piainany amin'ny maha-olon-tsotra azy. - Amin'ny maha-mpanoratra azy. - Nanasongadinana ireo tarakevitra novoiziny. Ao amin'ny fizarana faharoa kosa no hijerena ny lohahevitra hoe: "Ny tsy fahalavorarian’ny fiarahamonina" tarafina ao amin'ny asasoratr’i ARNi. Hovahavahana

13 tamin'izany àry: - Ny atao hoe madinika sy ny fiainany. - Ny zava-mianjady amin'izy ireo. - Ny tolona ataon'i ARNi manoloana ny zava-misy. Hanadihadiana ireo fomba fanehoan-kevitra kosa ny fizarana fahatelo, ka hofakafakaina amin'izany ny: - Endrika ivelan'ny asasoratra, - Ny teny aman-tsarinteny nampiasain'ny mpanoratra. FIZARANA VOALOHANY:

NY MOMBA NY MPANORATRA TOKO I: I ARNi SY NY FIAINANY AMIN'NY MAHA-OLON- TSOTRA AZY

Tsy nitsontsorika avy any an-danitra, na nitrebona avy amin'ny tany i ARNi fa manana ny masoandro amam-bolany.

1. Ny tontolo nipoirany Samy manana ireo razana nipoirany ny olombelona tsirairay: misy ny lafin-dray ary eo koa ny lafy avy amin-dreniny. Mba manana ny azy koa i ARNi. Avy amin'ny lafin-dray, dia Pasitora RABEKOTROKA Emmanuel no raibeny ary RAMILY Joséphine kosa no renibeny. Avy any amin'ny distrikan'i Faratsiho, Faritry Vakinankaratra no fiaviany. Avy amin'ny lafin-dreny kosa dia i RAKOTOVAO Zafindratsiry no raibeny, ary RAZAFIARY no renibeny. Avy any Ambano Antsirabe faharoa no fiaviany. Avy amin'ireo voalaza ireo no nipoiran'ny ray aman-drenin'i ARNi. RABEKOTROKA Raymond no rainy. Nonina tao Faratsiho. Mpitondra fiara, mpitatitra olona na entana no raharahany. “Olona tsotra sady malemy fanahy io rangahy io, maro ireo olona nifanerasera taminy no tia azy”13. Maty tamin'ny taona 1971 izy. Hoy indrindra i ARNi manambara izany. Rava teo ilay trano lay nantenaina hialofana any ho any rahatrizay tonga izany fahanterana. (...) Rava hatreo ilay fikasana gina teo ilay tanana f’ilay masoandro mba nirina ho fanilo hanazava ilay androm-pahoriana dia nisoka vao somamby14. Natao ho fialofana sy ho fanilo ny ray. Fanantenana ho an’ny zanany ny fisiany. Toa maizina ny làlana raha tsy eo izy. Tsy misy mahasolo io anjara toerany io. Manana ny toerany eo anivon'ny ankohonana tokoa ny raim-pianakaviana.

13 Resadresaka natao tamin’ny renin’i ARNi ny volana May 2006 14 VA 064 « lasa » Mahatsiaro izany anjara toeran'ny rainy izany koa i ARNi ka loa-bolana hoe:

Dada a! Haolo ilay tanàna nilaozan’ialahy haolo ilay tanàna na dia misy olona aza fa tsy ao ilay Fanahy mpiahv ny kamboty toa anay mpanampy sy mpambomba ireo malahelo am-po mpihantra sy mpijejy ireo tojo ny manjo (…15) Lazain’ny mpanoratra eto fa haolo ny tanana. Toa tsy misy olona. Ny ray no mpiahy ny ankohonana, miaro ny fianakaviana. Izy no ilay mijery sy miahy, mamaha ny olana. Raha tsy eo izy dia foana ny tanàna. Ambaran'i ARNi amin'izany fa mpiahy ny ray, mpanampy sy mpambomba. Banga ny fiainana raha tsy eo izy. Toa sahin'ny olona aza ny manao tsinontsinona ireo akanga sisa nanamborana, manao enji-dresy ireo kamboty. Hoy i ARNi : (…) Haolo ilay tanàna Izahay koa tsy tamana Fa ory hava-manana no mibahana ny laka ny fniavan-tena no zary koa manjaka ny enji-dresin-kavana?? … Kamboty no fofoiny Maloto re ny fony e!! (…) Rehefa tsy eo tokoa ny ray dia sahin’ny olona ny manao tsinotsinona ny zaza

15 VA 90 « Dada a ! »

17 amam-behivavy. Tsy misy ny hena-maso sy ny henatra. Tonga ny enji-dresy ny teny maharary ataon’ny Havana satria lasa ilay niraisana. Matetika aza dia atao ny hahalao monina ireo kamboty tsy misy mpiahy. Vokatr'izany dia te-hiantso an-drainy mba hiverina i ARNi saingy tsy afa- manatanteraka ny faniriany. Setriny: aleony mijoro ho lehilahy miaraka amin'ireo mpiray tam-po satria ny anaran-dray tsy hoenti-miondrika. Hoy ihany i ARNi milaza izany:

(…) Dada a! Rahoviana ialahy no hiverina? Sa ...

Izao letsy dada a! Izahay fito mianadahy Tsy mirona na mivena Na inona mitraho Fa mbola manantena Hanangana an 'iatahy Veloma leitsy Dada a !!

Mamy tokoa izany atao hoe ray ho an’I ARNi. Toa mbola antenainy hiverina ny rainy. Toa heverina fa mbola mihaino azy. Taratra atao amin’ny asa soratra ny fijoroan’ny mpanoratra hamelona ny anaran- drainy ary hijoro hatrany. Tsapa amin'izany ny hasarobidin'ny ray eo amin'ny zanaka. Tena mifandray am- po tanteraka ny zanaka sy ny ray aman-dreny. RATERARIVO Martine kosa no reniny. Mpikarakara tokantrano. Mbola velona. Faratsiho no tanindrazany avy amin'ny rainy, Ambano Antsirabe II avy amin'ny reniny. Araka ny hita eo amin'ny tononkalo etsy ambony dia fito mianadahy ry i ARNi no zanaky ny ray aman-dreniny: 3 lahy ary 4 kosa no vavy. Zanaka fahatelo i ARNi sady lahimatoa. Azo heverina avy amin’io toerana misy azy io ny antony ijoroany tokoa ho lehilahy eo amin’ny fiainan’ny fiarahamonina sy ny fianakaviany. Toy izao nv tetiarana maneho ireo fifandraisana ireo.

SARY

2. Ny fahazazany Tsy maintsy mandalo ny atao hoe "fahazazana" ny olombelona rehetra. Ao anatin’izany ny nahaterahana. Teraka tamin'ny 06 Desambra 1961 RABEKOTROKA Andrianjafy Nirina. Tao Faratsiho. Izany hoe herintaona taorian’ny nahazoana ny fahaleovantena. Nobeazina araka ny tokony ho izy sy izay tokony hatao amin'ny zaza rehetra. Toy ny fahazazan'ny rehetra ny fahazazan'i ARNi: miara-milalao amin'ny namana, miara-mikarenjy eny ambanivohitra, ary manao raharaha madinidinika toy ny mantsaka, mampiditra akoho, maka kitay, mitoto vary... Niaina ny tontolo ambanivohitra izay mahafinaritra izy tany Faratsiho fony fahavelon-drainy ary tsy nihaitraitra fa tena nanao raharaha tokoa. Feno folo taona i ARNi no maty ny rainy. Voatery nifïndra tany Ambano- Antsirabe II izy noho izany ka nitoetra tany amin'ny raibeny niaraka tamin'ireo iray tam- po aminy. Nilaozana i Faratsiho. Notaizan'io raibeny io tamin'ny raharaha tokony ho vitany izy: asa eny an-tsaha, mitoto vary, maka kitay, mitaon-jezika... “Tsy mety, hono, ny miaingitraingitra sy ny

19 tsy mandray ravin-deno fa efa sarotra ny fiainana”16. Fanabeazana azy hiatrika ny fiainana daholo izany ka nahatonga azy ho mpandray andraikitra taty aoriana teo amin’ny fianakaviana sy ny fiarahamonina. Fahavelon-drainy, mantsy, dia tsy diso anjara tamin'ny fampianarana i ARNi. Nazoto tamin'izany ny ray aman-dreniny. Ny fianarana no lova sarobidy hoy ny teny filamatry ny fampianarana. Tao amin'ny EPP (Ecole Primaire Publique) Ambohimahatazana Faratsiho izy no niatrika ny ambaratonga voalohany. Ankizy kinga saina sady nazoto tamin'ny fianarana ny lehilahy. Nahazo ny mari-pahaizana CEPE tao izy. Nanohy ny fianarany tao amin'ny CEG (Collège d'Enseignement Général) Soamalaza Antsirabe izy ka nahazo ny maripahaizana BEPC (Brevet d'Etude Premier Cycle). Efa tany Ambano Antsirabe II izy tamin'io no nipetraka (tany amin-draibeny). Tsapa amin'izany fa tsy nikely soroka mihitsy ny raibeny nanabe azy tamin'ny ara-batana sy ara-tsaina. Tsy latsa-danja koa, anefa, ny ara-panahy. Nalefan'ireo mpitaiza azy nianatra sekoly alahady koa i ARNi mba hahalala sy hahafantatra ny momba ny finoana kristianina. Hahalala ny foto-kevitra sy ny foto-pianarana momba ny finoana protestanta. Ny raibeny rahateo koa moa mpitandrina ka feno tanteraka ny fanabeazana azony.

3. Ny fahatanorany Nitoetra tao amin'ny anabaviny taty Antananarivo izy hanohy ny fianarany rehefa nahazo ny maripahaizana BEPC. Tao amin'ny IEC Ampandrana no nanohizany ny fïanarany telo taona, ary nahazoany ny maripahaizana Baccalauréat A2 ny taona 1981. Niatrika ny fanompoarn-pirenena ivelan'ny tafika ny taona 1982, ny taona 1983 dia nanohy ny fianarany teny Ankatso ary nisafidy ny sampam-pianarana Teny Malagasy. Ny taona 1987 no nahazoany ny maripahaizana DUEL. Tsy vita mora anefa ny fianarana ka sady niasa no nianatra i ARNi. Mpampianatra i ARNi. Manana ny fanamarinana (attestation d'enseigner) amin'izany izy. Ny taranja Malagasy no nosahaniny. Ny taona 1985 dia nampianatra tao amin'ny Collège RASALAMA ny lehilahy. Nampianatra ihany koa tany Anjozorobe sy Manjakandriana ny taona 1990 sy 1991. Ny voalohandohan'ny taona 1992 dia voaray niasa tao amin'ny masoivoho

16 Resadresaka natao tamin’ny Ramatoa RAZAFINDRAIBE Séraphine. Volana mai 2006 Japoney eny Ivandry. Herintaona sy tapany no niasany tao. Mahay mikaly sy mandamina asa ny lehilahy. Tsy vitan'ny miolonolona samirery ny fiainana. Ilaina ny mifanerasera amin'ny mpiarabelona sy ny fiarahamonina.

4. I ARNi sy ny fiarahamonina Tsy manavanana ny Malagasy ny miolonolona. Tsy maintsy mifandray amin'ny mpiaramonina aminy izy na dia mba hifankahalala fotsiny aza. Olona tian'ny mpiarabelona aminy i ARNi. Antsoin'ny olona amin'ny fandaminana ny raharaha sarotra: na eo anivon'ny fianakaviana na eo anivon'ny mpiaramonina. Mahita vahaolana foana ny lehilahy amin'izany. Izy no mandrindra sy mandamina ho amin'ny laoniny indray ny fiainan'ny fiarahamonina. Ankoatra izany, ataon'ny fiarahamonina ho fakana hevitra koa izy raha misy ny manahirana. Tsy misorona tokoa ity farany fa manoro hevitra sady manampy. Toa manan-kianteherana mihitsy ny rnpiarabelona eo anatrehan'izany. Tsapa tokoa fa sady tia olona no tsotra i ARNi. Manana ny toetra mampiavaka azy tokoa ity ARNi ity: “Olona tsotra sady malemy fanahy toa an-drainy”17 hoy ny olona. Nomena anaram-bosotra hoe “Doux”17 izy noho izany toetrany izany. Tsy niova io toetrany io: be fandeferana, tsy mora tezitra, tsy mora sosotra, tsy mitratrevatreva. Halany ny fiolonolonana, ny zara vilana, ny fiangarana. Tiany ny mahavita zavatra ary izay nokasaina tsy maintsy vita. Olona be herim-po izy. Rehefa rariny dia rariny, rehefa hitsiny dia hitsiny, rehefa ara-dalàna dia ara-dalàna. Nahavaky vava ny olona izany toetrany izany ka nilazany fa “izany no tena olombelona”17 . Teo amin'ny fifaneraserana tamin'ny mpiarabelona no nahitan'i ARNi fa hay mijaly ny vahoaka madinika. Tsapany fa mahantra, hay, ireto olona ireto: mitady izay hohaniny isanandro, mikaroka izay ilaina atsy sy aroa; voan'ny zara vilana sy ny teniko fe lehibe... Vokatr'izany dia niditra ho mpikambana tao amin'ny MFM (Mpitolona ho amin'ny Fanjakan'ny Madinika) izy. Nafana fo tokoa i ARNi tamin'izany ka nitsikera sy nanatsinkafona ny tsy mety ataon'ny mpitondra. Nanambara tamin'ny asasorany koa ireo zioga mavesatra nentin'ny vahoaka madinika. Tsy nataony an-tsoratra fotsiny izany fa notanterahiny ka nahatonga azy "nanao ny diaben'ny fahafahana ny 10 Aogositra 1991

17 Resadresaka natao tamin-dRamatoa RAZAFINDRABE Séraphine sy ny renin’i ARNi, volana Mai 2006 tany an-tranony

21 teny lavoloha"18 niaraka tamin'ny vahoaka efa leon'ny fahantrana sy ny tsindrihazolena. Ny tarigetran'ny antoko MFM moa dia ny hahazoan'ny vahoaka madinika, ny mpikarama madinika ny anjara masoandrony eo amin'ny fiainana (jereo TOVANA) ka handrondana ny saranga tsy mitovy. Na dia teo aza izany adidy aman'andraikitra izany, mba mila miala voly ihany koa ny vatana sy ny saina. llain'ny olombelona ny fialam-boly. Ho an'i ARNi dia ny mitendry gitara no tiany na maro aza ny zava-maneno19, hoy Ramatoa RAZAFINDRABE Séraphine vadiny. Mahafinaritra azy koa ny mijery fampisehoana an-tsehatra sy rindran-kira ary ny mihaino mozika. Ny rnijery ny tarika "Mahaleo" sy ny "Kintana telo" dia tena ankafiziny fatratra tokoa. Nanana ny anjara toerany i ARNi teo amin'ny fiarahamonina. Manana ny anjara asany koa anefa izy amin'ny maha raim-pianakaviana azy. 5. Ny tokantranony “Tsy tsara raha irery ralehilahy ka hanaovako vady sahaza azy”20 hoy ny soratra masina. Tojo ny taolan-tehezany ny lehilahy teo amin'ny faha 30 taonany. Tamin'ny taona 1985 no nifankahitany tamin-dramatoa RAZAFINDRABE Jeanine Séraphine, mpampianatra taranja Anglisy. Taty amin'ny taona 1991 vao nivady, vita soratra ara-panjakana izy roa. Ny taona 1992 izy ireo no niteraka an- dRABEKOTROKA Andriamiadanoro Mirado, zanany lahy tokana. Tokantrano nanjakan'ny filaminana, ny fifanampiana, ny fifanakalozan-kevitra ary ny fitiavana ny tokantranony. Ezahina ny mamaha ny olana rehetra mety hisian'ny elanelana ao an-trano. Izany hoe tsy misy olana tsy voavaha. Nifanara-tsaina tokoa ary nifanampy tamin'ny asa tao an-tokantrano izy mivady. Izany hoe tia rindra sy lamina ny lehilahy. Tsy tia zavatra misafotofoto sy mikorontana Tsy misy olona tsy te-hiaina eo anivon'ny vady aman-janaka raha mbola misy fitiavana ao anatiny. Ho an'i ARNi mivady kosa dia tsy fanahy iniana no nifandaozana fa vokatry ny fahafatesana. "Tantely amam-bahona tokoa ny fiainana": indraindray mamy, indraindray mangeroka. Nodimandry i ARNi ny volana Aogositra 1993. Hoy ny filazan-dRanoë izany: “Tamin'ny Alahady 8 aogositra nifoha ny 9 aogositra no nindaosin'ny fahafatesana izy (...) aretim-bavony no nahafaty azy”21. "Azo lazaina fa olona niezaka teo amin'ny fanatsarana ny fiainany sy ny

18 Resadresaka natao tamin’i Lydiary ny volana Mai 2006 19 Resadresaka natao tamin’ny vadin’i ARNi, volana Mai 2006 20 Baiboly, Genesisy 2 : 18 21 Gazety ambioka, lah 00, Desambra 1997, tak 8 fiarahamonina ity lehilahy ity. Hojerentsika manaraka indray izany fiezahany izany teo amin'ny sehatry ny literatiora".

23 TOKO II: I ARNi SY NY LITERATIORA

1. Ny nahatonga azy ho mpanoratra Samy manana ny fotoana iandohany manoratra avy ny mpanoratra tsirairay. Ao anatin'izany koa i ARNi. Tamin'ny taona 1979 izy no nanomboka nametraka ny diam- peniny ho eo amin'ny sehatry ny literatiora. 18 taona izy tamin'izay. Ny tononkalo mitondra ny lohateny hoe “voahangin’ny fanahiko”22 no nosoratany tamin'izany izay mitory fitiavana miredareda amin'olona iray. Tsy nijanona nanomboka hatreo ny asasoratr'i ARNi fa nisy foana saika isan- taona. Singa iray nanosika azy hampiroborobo ny talentany ny sampam-pianarana Teny Malagasy narahany teny Ankatso nanomboka ny taona 1983. Hatreo dia maro sy nihanitombo ny asasoratra vitany. Tsy nitsahatra nanoratra izy mandrampahafatiny. Toy izao ny fafana maneho izany araka ny taona nanoratany azy. Marihina fa ireo tononkalo ireo 100 notsongainay tamin’ireo tononkalony ireo no haseho eto. TAONA ISAN’NY TONONKALO 1979 1 1981 1 1981 1 1982 1 1983 4 1984 5 1985 44 1986 14 1987 4 1988 4 1989 1 1990 9 1991 3 1992 1 1993 1 TSY MISY DATY 6 TOTALINY 100

Fafana 01: Fanazavana ny fafana Ny fafana dia maneho ny asasoratra nivoaka isan-taona: - Ny taona 1979 nanombohany nanoratra dia tononkalo iray isan-taona no nivoaka hatramin'ny taona 1982. - Hatreo amin’ny taona 1983, izay nidirany nianatra teny Ankatso kosa, dia nitombo ny isa. Angamba noho izy efa nianatra sy nandalina ny teny Malagasy sy ny fomba fandrafetana tononkalo: ny taona 1983 dia nahavita tononkalo efatra i ARNi, nitombo ary tena betsaka mihitsy ny taona 1985 izay nahatratra 44 be izao ny tononkalo voasorany. Teo amin’io taona io ihany no azo lazaina ho tena niroborobo ny famoronana nataony. Tsy azo itompoana teny fantatra, fa hoe tsy nahavita firy intsony, anefa, izy taorian’io taona io satria ny taona 1986 dia mbola nanoratra tononkalo miisa 14. Taty amin'ny taona 1990 dia mbola nahitana asasoratra 9. Izany hoe, mahatsangana asasoratra isan-taona i ARNi nandritra ny 14 taona nirotsahany teo amin'ny sehatry ny fanoratana tononkalo. Raha aseho amin'ny alalan'ny piramida izany mba hahamora ny fanombanana azy dia toy izao.

50 45 40 35 30 25 20 15 10 5 0

9 1 1 2 3 4 5 6 7 8 9 0 1 2 3 Y 7 8 8 8 8 8 8 8 8 8 8 9 9 9 9 T 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 9 1 1 1 1 1 1 1 1 1 1 1 1 1 1 1 A D Y IS M Y S T

Fafana 02:

25 Hita eo amin'ny sary fa tena maro tokoa ireo tononkalo najorony ny taona 1985. Niroborobo fatratra tokoa ny asasorany teo. Heverinay fa vokatry ny fianarana nataony sy ny zoto-pony ary ny zava-nisy tamin'izany fotoana izany no nahatonga io isa io. Nisy tokoa ny zava-nitranga teto amin’ny firenena tamin’io fotoana io: tsy fisian’ny kojakoja ilaina andavanandro, fahasahiranan’ny vahoaka…

Ankoatra izany, tsy mionona amin'ny fahaizany manoratra na mampijoro asasoratra fotsiny i ARNi, fa manatevina ny fahalalany amin'ireo sanganasan'ireo zoky teo aloha. Liana tamin'ny asasoratr'ireo mpanoratra malaza toa an-dry Randza ZANAMIHOATRA, J.J. RABEARIVELO, ny Avana RAMANANTOANINA, Fredy RAJAOFERA, RADO, koa ny lehilahy. Etsy andanin'izany, mandinika asasoratr'olona koa izy, ka na mankamamy izany na manakiana. “Arakaraka ny fomba fanehoan-keritr'ilay mpanoratra no itsarany azy”22, hoy RAZAFINDRABE Séraphine. Maro ireo mpanoratra izay fantatra fa niaraka tamin'i ARNi. Isan'izany ry Ranoë, ry SOLOFO José, ry , ry i Nalisoa RAVALITERA, Lydiary sns... Indray nihira sy niara-niasa taminy teo amin'ny fampiroboroboana ny sehatry ny literatiora izy ireo.

2. Ny fivelaran'ny talentany Maro ny asasoratra vitan'i ARNi. Saika tononkalo avokoa izy rehetra. Hoy Ranoë milaza izany: “Eo anelanelan’ny 150 sy 200 eo ho eo ny tononkalo vitany. Ny ampahany amin’ireo dia voarakitra ao amin’ny “Hiratry ny kintana” boky voalohany [] “Rakitra sy Âina”no anaran’ny lohateny nanakambana ireo ampahan-tononkalo ireo”23. (Ny 100 amin’ireo tononkalo ireo no notsongainay hanatanterahana ny asa fikarohana). Mba hampiroboroboana ny talentany, dia nanangana fikambanana izy: - Anisan'izany ny nananganany, niaraka tamin'i Beto sy i Dama (Paul ANDRIATSALAMA) ny sampana zava-kanto tao amin'ny CUR Antananarivo (Taranja Malagasy). Izy telo mirahalahy ireo koa no nandrindra an-tsehatra ilay sombin-tantara nosoratan-dRABEARIVELO hoe "Irène RALIMA". - Tsy izany fotsiny, fa nanangana ny "Faribolana Sandratra" izay itambarana

22 Fanadihadiana natao tamin-dRamatoa RAZAFINDRABE Séraphine, volana Mai 2006 23 Gazety ambioka, laharana 00, Desambra 1997, tak 8 mpanoratra fantan-daza sy vao misondrotra ihany koa izy. Niaraka taminy tamin'izany ry i Elie RAJAONARISON, i SOLOFO José, i Nalisoa RAVALITERA, RAKOTONIRINA Patrick, Lydiary, NIRY-SOLOSOA, HAINGO manodidina ny taona 1985. Toy izao no fitantarain’i SOLOFO José ny hafanam-pon'i ARNi tamin'ny fananganana ny Faribolana Sandratra, araka ny fitateran-dRanoë azy: “Anisan’ny mafana fo i ARNi tami’ny fananganana ny Faribolan’ny mpanoratra Sandratra”24 .

Tsy nijanona ho mpanangana fotsiny i ARNi tao anatin'izany fikambanana mpanoratra izany, fa nanana andraikitra notanana. Nazoto tamin'io izy sady ho fampivelarana ny talentany rahateo: - Mpikambana tao amin'ny birao izy: mpanetsiketsika ny mpikambana, mpanaitaitra ary mpitaona ny olona ho ao amin’ny fikambanana. - Niandraikitra ny antsa fanaon'ny Faribolana isam-bolana ao amin'ny Foiben'ny kolontsaina Alemana Malagasy (CGM). - Mpiantsa tononkalo sady mpilalao an-tsehatra. Tsy nikely soroka ary nanaja ny asany tokoa ity lehilahy ity tamin'izany. Ny asasoratra toy itony, raha tiana ho fantatry ny besinimaro, dia tsy maintsy avoaka na amin'ny fampielezam-peo na an-gazety. Tsy diso anjara tamin'izany i ARNi ka nampahafantatra ny sanganasany ihany koa. Tamin'ny alalan'ny fandaharana "amboaran'ny hariva" tao amin'ny RNM no tena nahafantarana ny asasorany. Tsy vitsy koa, anefa, ireo Gazety ahitana ny asany: ohatra: Gazety Tribune, Gazety Ambioka... Efa hita any amin'ny boky fianarana any amin'ny kilasy famaranana, Lovako kilasy famaranana ny tononkalony mitondra ny lohateny hoe “Fa”25. Tsy latsa-danja amin'ny fivoahan'ny asasorany ireo amboara novokarin'ny Faribolana. Nisy koa ny nalefa tamin'ny iray volan'ny FIMPAMAMA (Fikambanan'ny mpandala ny maha- Malagasy).

3. Ny mpanoratra sy ny asasoratra Fomban'ny mpanoratra ny manao solona anarana rehefa manoratra. Tsy nanao izany anefa i ARNi. Ny hoe RABEKOTROKA Andrianjafy Nirina no nafoheziny. Nampifamadihany ny toeran'ireo ka ny fanampina anarana hoe Andrianjafy no natao

24 Gazety ambioka, op.cit 25 VA 65 « Fa »

27 aloha ary manaraka izany ny RABEKOTROKA Nirina. Ahazoana ny hoe A.R.Ni ireo rehefa izany. Tsy vitavita mora ny manangana asasoratra. Mila aingam-panahy ny poeta, noho izany. Ho an'i ARNi indray dia “tsy mila toe-javatra manokana na fîtrangan-javatra vao misy ny aingam-panahy”26, hoy ny vadiny, “Eo am-pipetrahana eo dia manoratra”27. Miaraka mamaky avy eo, ary atao amin'ny taratasy madio izay vita na amin'ny firy na amin'ny firy. Ankoatra izany, tsy voafetra ny fotoana fanoratany. Na faly na malahelo, na aiza na aiza. “Manoratra fa tsy mifidy, tsy misy o/ana mihitsy ny fanoratana” 28 hoy ihany ramatoa RAZAFINDRABE Séraphine, vadiny. Manana fahaizana sy talenta eo amin'ny fampiroboroboana ny sehatry ny asasoratra i ARNi. Hotomorintsika manaraka indray ireo tarakevitra novoiziny.

26 Resadresaka natao tamin’ny Ramatoa RAZAFINDRABE Séraphine Mai 2006 27 - 28 Resadresaka natao tamin’ny Ramatoa RAZAFINDRABE Séraphine Mai 2006 28 TOKO III: IREO TARAKEVITRA NOVOIZIN'NY MPANORATRA

1. Amin'ny ankapobeny Mahasahana lafin-javatra maro ireo tarakevitra hita taratra ao amin'ny tononkalo. Hita amin'izany ny fitiavana, ny literatiora, ny tolona ho an'ny vahoaka madinika. Toy izao ny fafana maneho izany: TARAKEVITRA ISANY ISAN-JATO OHATRA Fitiavana 30 30% Tamberina Rehefa Literatiora 12 12% Teny, Poeta Afaka? Tolona 58 58% Haika Tambatra TOTALINY 100 100%

Fafana 03 Hita amin'ny fafana fa ny tolona no tena ifantohan’ny asasoratra. Raha 100 ny asasorany, dia ny 58% tolona. Mahazo ny antsasamanila. Izany hoe, azo heverina ho ny fiainan'ny mpanoratra manontolo dia tolona. Hojerentsika amin'ny antsipiriany indray ny tarakevitra tolona: misy ny milaza ny fahorian'ny madinika, ao ny maneho ireo zava-mianjady aminy. Ao koa ny mitory ny tolona atao amin'izany toe-javatra maro samihafa izany.

2. Amin’ny antsipirihany Ny tononkalo milaza ny fahorian'ny madinika dia mitanisa ireo fiainan'ny vahoaka izay tsy mahita sakafo, bado, mora ambakaina sy fitahina. Maneho ihany koa ny tebiteby sy ny adin-tsaina amin'izay hahitana ny atokona. Ny tononkalo izay milaza ny zava-mianjady amin'ny vahoaka madinika kosa dia mitanisa ireo fihetsika ataon'ireo ngeza, lehibe isana ambaratonga, ny mpitondra sy ny manodidina azy toy ny: sivana, fangejana, fandrobana, fihazana, fanilikilihana ny vahoaka madinika, sns... Ny tononkalo milaza tolona kosa dia ireo izay mitsikera ny ataon'ireo vitsy an'isa manampatra fahefana sy ireo izay mitaona ny vahoaka hitolona, tsy ho mora

29 mionona, mananatra ary manentana mba tsy ho kivy...

Tarakevitra tolona Isany Isan-jato Ohatra Ny fahorian’ny 19 32,75% Tady vahoaka madinika Nofy Ny zava-mianjady 19 32,75% Rivo-doza aminy Sivana Ny tolona atao 20 34,50% Asanao amin’izany Aminao TOTALINY 58 100%

Fafana 04 Hita eto amin'ny fafana fa mifandanja ny fahorian'ny vahoaka madinika sy ireo zava-mianjady aminy. Misy ifandraisany tokoa ireo satria noho ny ataon'ireo "mpitondra" sy ny manodidina azy no mahatonga ny fahoriam-bahoaka. Somary manatombo ny isan'ny tononkaio maneho ny tolona atao amin'izany toe- javatra izany. Heverinay, anefa, fa mitombina tsara io, satria ny tolona tsy mijanona. Ady ny fiainana ka tsy maintsy mitolona isanandro. Tsy maintsy atao mihoatra noho ny herin’ireo olom-bitsy ihany koa ny herin'ny tolona mba handresena sy handrodanana ny fitondran'izy ireo izay tsy mitsinjo ny vahoaka tsimandadiharona.

FEHINY Tamin'ity fizarana voalohany ity no namahavahana ny momba an'i ARNi. Hitantsika tamin'izany ny loharano nipoirany sy ny fanabeazana azony ary ny tontolo niainany. Nojerentsika ihany koa ny mpanoratra teo anivon'ny asasoratra sy ny andraikitra nosahaniny tamin'izany hoenti-mampiroborobo ny tontolon'ny literatiora. Ary tamin'ny izany koa no nahitana ireo tarakevitra samihafa novoizin'ny mpanoratra. Nasongadina tamin'izany fa ny tolona ho an'ny vahoaka madinika no tena nimasoan'i ARNi. Mitarika ny saina avy hatrany izany ho any amin'ny fizarana manaraka dia ny "tsy fahalavorarian'ny fiarahamonina tarafina ao amin'ny asasoratr'i ARNi sy ny tolona ataony amin'izany". FIZARANA FAHAROA:

“NY TSY FAHALAVORARIAN’NY FIARAHAMONINA” TARAFINA AO AMIN’NY ASASORATR’I ARNi TOKO I: NY MADINIKA SY NY FIAINANY ARAKA NY AHITANA AZY AO AMIN’NY ASASORATR'I ARNi

Teny fampiasa andavanandro ny hoe "Madinika". Entina hanavahana na hanondroana vondron-javatra. Anasokajiana vondron'olona eo amin'ny fiarahamonina ihany koa. Maro ny zava-mianjady amin'izy ireo eo amin'ny fiainana. Mitanisa izany i ARNi ao amin'ny asasorany ka heverinay fa mety ny hamaritana ny atao hoe "Madinika".

1. Famaritana Samy manana ny heviny ny teny tsirairay avy araka ny fisainan'ny olona sy ny kolontsainy. Manantitra izany i R. ZANAMIHOATRA hoe: « fa ny hevitra fonosiny dia tsy vita vono baibona sy raikitra toy ny ”roa ampiana roa, efatra” fa manan-tsata ho afa-mitatra sy miovaova kosa araka ny toe-pisainan’ny olona”29 . Izany hoe tsy voatery ho iray monja ny hevitry ny teny. • Ara-bakiteny : Milaza i Régis Rajemisa RAOLISON ao aimi'ny Rakibolana malagasy fa ny madinika dia: “kely, manify, marotsaka”30 . Mamaritra koa i M.D RAKOTOZAFY fa ny hoe "madinika" dia “milaza toetra, mitovy amin’ny kely, marotsaka”31 . • Ara-kevitra mitatra I E.D. ANDRIAMALALA ao amin'Ilay Vohitry ny nofy, dia mamaritra ny madinika ho “mpitrongy vao homana, na ny madinika indrindra amin’ny vodiahitrarivo fanitsaky ny mpanana”32. Tsy toetra na mpamaritoetra intsony ny teny hoe "madinika" eto fa anarana iantsoana ny sokajin'olona mahantra. Anarana anavahana ireo olona sahirana ara-pivelomana. Ilazana ihany koa ireo sarangan'olona tsy misy mpiraharaha, tsy misy mpijery. Mitovitovy amin'izany koa ny famaritana omen-dry K. MARX sy F. ENGELS. Amin'izy ireo, ny atao hoe madinika dia “Ireo sokajin’olona tsy manana fitaovana

29 R. ZANAMIHOATRA : op cit.tak 8 30 R.R. RAOLISON : Rakibolana malagasy. Ed. Ambozontany, 2003, tak 550 31 M.D. RAKOTOZAFY : Dictionnaire Malgache-Français, Edicef 58, rue Jean Bleuzen, France, p. 367 32 ED ANDRIAMALALA : Ilay vohitry ny nofy, tranom-pirintim-pirenena, Antananarivo, 1972, tak 6 hoenti-mamokatra, ka voatery mivarotra ny herin-tsandriny mba hivelomany”33. Tsy ho tafavoaka amin'ny fiainana mihitsy izany ireo madinika. Bodoin'olon- tokana na sokajin'olona ny fitaovana ahafahana miavo-tena. Azo lazaina fa na ny taranaka ao aoriana aza dia tsy maintsy hivarotra ny herin-tsandriny ihany koa. Ho an'i ARNi indray, ny madinika dia ireo olona mahantra, fadiranovana, tsy ampy sakafo na tsy mihinana mihitsy. Tsy manam-ponenana lafatra, fa zara raha misy isitrihana na koa miampify eny rehetra eny. Ireo olona na sokajin'olona anjakan'ny zara vilana sy ny fitsentsetana ary ny tsindrihazolena. Hoy i ARNi manambara izany: Izaho tsy maintsy mihira, mihira ireo mahantra 'zay mandry tapa-kibo, indraindray aza mandry fotsy Izaho tsy maintsy mihira ireo izay tsisy mpiantra Ireo olona manjeny matory an-tsisin-tosy34 . (…)

Raha aravona ireo famaritana ireo, ny madinika dia ireo sokajin'olona tsy manana ny fomba rehetra hahatafavoahana amin'ny fahantrana, fa tsy maintsy mivarotra sy/na manakalo ny heriny ho antoky ny fahavelomany. Araka ny hevitray kosa, ny madinika dia ireo sokajin'olona mivarotra ny herin- tsandriny sy ny herin-tsainy mba hivelomana, kanefa tsy manana amby ampy eo amin'ny fiainana. Zara raha mahatana aina ny karama azo. Ary koa ireo sokajin'olona atao fitaovana hahazoana tombontsoa mihoa-pampana: tsy mahamena-maso, ireo bado sy mora ambakaina ka anaovana "ronono an-tavy" mba hambaboana ny fony hahafahana manambaka azy. Maro ireo toe-javatra mianjady amin'ny vahoaka madinika. Anisan'izany ny hanoanana. Raha eto Madagasikara manokana no asian-teny, tsy tokony hahazo ny vahoaka ny hanoanana satria malalaka ny tany ary azo ajariana tsara. Saingy ny politika hoenti- manatanteraka izany no tsy misy. Tamin'ny andron'Andrianampoinimerina dia nataony ny fanajariana an'ny Betsimitatatra mba tsy ho tratran'ny "mavovava" ny vahoaka. Tamin'ny andron'ny Fanjanahantany indray dia ny fakana ireo vokatra taty

33 (K) MARX et (F) ENGELS : Manifeste du Parti comuniste, Ed du progrès, Moscou 1978, p.33 : « on entend par prolétariat, la classe des ouvriers salariés modernes qui, provés de leur propres moyens de production, sont obligés pour subsister de vendre leur force du travail » 34 VA 08 « Hihira aho »

33 Madagasikara no nataon'ireo mpanjanaka vaindohan-draharaha. Nisy, noho izany, ny tsy fahampian'ny vokatra teto: « tsy nomena afa-tsy izay hahavelona azy hahafahany manompo sy mampitombo ny haren’ny mpanjanantany ny vahoaka »35 hoy ny voalazan’ny OTRIKAFO. Mbola toraka izany koa ny tamin'ny Repoblika voalohany: tsy nahita mangirana mihitsy ny vahoaka Malagasy satria mbola fanjanahantany amin'ny endrika vaovao no nisy teto. Izay ilay nantsoina hoe "sarintsarim-pahaleovantena" na koa hoe "fahaleovantena ara-taratasy". Tamin'ny Repoblika faharoa, dia nodradradradraina fa ny herin'ny tena samirery no iankinana. Raha misy fanampiana avy any ivelany dia ho famenony fotsiny izany. Omen-danja bebe kokoa ny vahoaka madinika eo amin’ny famokarana (Jereo TOVANA I). Atao izay handresena ny hanoanana, sy ny sisa tsy voatanisa. Tsy izany, anefa, no niseho fa fahavoazana tsy roa aman-tany. Vao mainka nihanahantra ny vahoaka Malagasy. Niverina niankin-doha tamin'ireo mpamatsy vola indray, ka ny volam-panjakana dia niompana tamin'ny fanoneran-trosa fotsiny: tsy nisy ny vola hikarakarana ny zavatra ilain'ny firenena. Antitranterin'ireo mpikambana ao amin'ny OTRIKAFO izany ka hoy izy ireo: “Ary satria voatery namerina ny trosa, dia niompana tamin’ny fanorenan- trosa fotsiny ny volam-panjakana rehetra, ka tsy nisy vola intsony hikarakarana ny zavatra ilain’ny firenena sy ny vahoaka”36. Izany no antony isian'ny hanoanana eo amin'ny vahoaka madinika.

2. Ny vahoaka madinika sy ny hanoanana "Raha noana ny nofo, mivezivezy ny fanahy". Voajanahary amin'ny zavamananaina ny miady amin'izany. Inona moa no atao hoe hanoanana? • Famaritana ara-bakiteny Toy izao no famaritana ao amin'ny Rakibolana Malagasy: “toetran’ny olona tsy mihanin-tsakafo efa elaela ka mahatsiaro mangebaka ny kibony”37. I (F) RAKOTONAIVO kosa dia mamaritra ny hanoanana ho “tsy fahampian- tsakafo”38 ao amin'ny Rakibolana Frantsay-Malagasy. Azo lazaina ary fa ny hanoanana dia tsy fisiana na fahakelezan'ny sakafo

35 OTRIKAFO, fanehoam-pijery, novolavolaina sy natontan’ny fikambanana OTRIKAFO, Antananarivo, tak 11 36 OTRIKAFO, op cit, tak 12 37 (R.R.) RAOLISON : op. cit tak 412 38 (F) RAKOTONAIVO : Rakibolana Frantsay-Malagasy, Ambozontany, Fianarantsoa, 2003, tak 339 hanin'ny olona. • Ara-kevitra mitatra Tsy tokana ny hevitry ny teny. Miova araka ny sehatra itenenana izy. Ny hevitra fonosin'ny teny hoe "hanoanana" koa dia maro. Entina hilazana tsy fahafaham-po, faniriana, hetaheta, filàn-javatra mivaivay ny hanoanana. Eto amin'ity ampahan-tononkalon'i ARNi ity, nampitondrainy ny lohateny hoe "Faniriana" dia ahatarafana izany hetaheta izany. Iriko ialahy, ry ZO mba hiara-dalana amiko Hanafoana ireo taraina ety an’andro izay indramiko Noho ny afitsoky saranga niampitombo ireo tsingala Mba hamorika ny saina, hifampifofo, hifankahala39. (...) Hita araka izany, fa misy hetaheta mafy te hitroatra ao. Misy faniriana te handrava ny tsy fitoviana. Izany hoe te hahatanteraka ny fikasany mivaivay hahafa-po ny saina amana eritreritra. I ARNi eto dia maniry hampiasa izany zo izany, izay ananan'ny isam-batan'olona satria amin'ny alalany no ahazoana izay takina na tadiavina. Aminay, ny hanoanana dia ny hetahetan'ny vatana, ny fanahy, ny saina hahazo izay zavatra tokony hilainy eo amin'ny fiainana. Ny tsy fahampian'izany no mahatonga ny olona ho noana. Sehatra maro no anehoan'ny mpanoratra ny fisian'ny hanoanana: - eo amin'ny ara-batana - eo amin'ny ara-tsaina - eo amin'ny ara-panahy.

2.1. Ny hanoanana ara-batana Voajanahary eo amin'ny zavamananaina ny fitadiavana sakafo. Anton'ny fahavelomana izy. Mikaroka izany koa ny olombelona: eo ny mora mahita sy mahangona be, maro koa anefa ireo tsy mahita afa-tsy an-kanifisana. Ireo vahoaka madinika no tratran'ity farany. Sarotra sy raharaha mafy ny ahitan'ny vahoaka madinika sakafo. Mipepipepy etsy sy eroa. Mitebiteby mafy. Mila hihohoka amin'ny tany izay vao mahita ny hohanina. Ao amin'ny Dinitra, i RADO dia maneho ny adin-tsaina amin'ny hahitany ny

39 VA 015 « Faniriana »

35 hanina ao amin'ny tononkalony mitondra ny lohateny hoe "ady": (…) Alina ny andro matory ny zanako Izaho kosa safotr'ireo adin-tsaina Inona indray no horangotin'ny tanako Ho sakafon’ireo rahampitso maraina?40 (...) Tsapa amin'izany fa tsy ahitan-tory ny tebiteby sy ny adin-tsaina amin'izay fomba hahitana ny sakafo rahampitso. Lany amin'ny fieritreretana ny alina tontolo. Lazain'i RADO eto fa "safotry ny adin-tsaina" mihitsy izy. Izany hoe tsy moramora ny fieritreretana sy ny fanahiana ny fomba ahitana ny atokona. Manana ny filazany koa i ARNi mikasika io fitadiavana ny atokona io. Lazainy amin'izany ny ataon'ireo tsy manan-kohanina izay mampahonena tokoa satria ny zavatra efa narian'ny olona, efa tsy ilainy intsony no tsimponina. Ambaran'ny mpanoratra fa mikororoka ny ampombo eny amin'ny sisin-daona no ataon'ny olona hitadiavany, sao misy voam-bary sendra nipitika any mba hataony sakafo sitrany ahay "ranona sosoa". Hita izany ao amin'ny tononkalo hoe "Tady". Kororoka ampombon’ ny sandry lany hery mitady sisin-daona. (...)41 sitrany ahay ranona sosoa Ho ody am-bavafon’ ity saina valalanina. Antony iray anaovany izany koa ny fisian'ireo zaza marobe ao an-trano ka voatery tsy maintsy mitady na aiza na aiza. Ny ray aman-dreny mba leoleo ihany fa ny mijery ireto zaza no manery amin'ny hikarohana sakafo.

(...) Ny vava mihabetsaka An-tsisin-dalam-be No manery anao handrampy

40 RADO : Dinitra, imprimerie NEWPRINT, Antananarivo 2000, tak 56 41 VA 022 « tady » Mandavan’ny fotoana (...) Ankoatra izany, tsy mahalala menatra intsony rehefa teren'ny tsy fisiana. Izay ahitana hanin-kohanina no atao dia izay. Mampanongo tena sy mampahonena ny mahita ireo vahoaka madinika mitsindroka sakafo eo am-panariam-pako. Lazain’i ARNi fa mifanitsa-kitro mihitsy izy ireo eo. Tsy vitan'izay, fa tena mamikitra sahala amin'ny kongona. Toa zava-tsarobidy ery ny fahitana hanina ao. Hoy I ARNi milaza izany; Tontolo babangoana No hovantaninao An-tsefaky ny ravi-maina Hihintsana ny ampitso Fa mponina efa noana No mifanitsa-kitro Mitsindroka eny ho eny Mamikitra toa kongona Am-panariam-pako. (...)42 Tsapa eto, fa sarotra ny mitady sakafo. Efa tsy ahafantarana ny maha olona intsony. Tsy azo hamaivanina ny manjo ireo madinika: mampalahelo no mampivarahontsana. Ahatsiarovana ny tenin'i ED ANDRIAMALALA hoe: ”Ny voky ihany no vokisana, ny sisa mandady vao homana”43. Mbola asehon'ny mpanoratra ihany koa ato amin'ny asasorany mitondra ny lohateny hoe "Haika" ny fomba sy fihetsika fitadiavana sakafo. Lazainy amin'izany fa efa toy ny kisoa mihitsy ny fomba fitadiavan'ireo madinika sakafo: mitrongy. Izany hoe efa tena mafy, efa tena sarotra ny fahitana ny hohanina hamelomana ny ankohonana. Tena mampahonena mihitsy. Hoy i ARNi rnilaza izany:

(...) Avelao aho mba hidradra Hihoraka hivazavaza Hanaitra saina izay rendremana

42 VA 080 « tontolo » 43 ED ANDRIAMALALA : Ny Fanagasiana, Librairie mixte, Tananarive, 2004, tak 138

37 Matïhenam-piforetana Mitrongy man-toa kisoa Efa an-dalam-pahalevonana44 (...) Te hiantso mafy ny mpanoratra mahita ny fahorian'ny vahoaka madinika. Te hitaona ny olona izy mba hitolona fa tsy hiforitra fotsiny eo satria mampihena ny faharetan'ny andro hahavelomana ny asa mafy sy ny tsy fisian-kanina. Rehefa tsy ampy tokoa, mantsy, ny sakafo dia mihena ny andro ahafahana miaina. Izany hoe ny sakafo no mamaritra ny andro hahaveloman'ny olona iray. Zava- doza sy atambo ny tsy fahampian-tsakafo, noho izany. Tsy vitan'ny hoe voafetra ny andronao fa tsy maintsy hamela kamboty tsy misy mpiahy indray ny vahoaka madinika. Toe-javatra mbola mampahonena koa izany. Ambaran'i ARNi eto tokoa izany ka hoy izy. (…) Ny sakafo tapa-kibo niamana maharitra No fefy iray mamaritra Ny andro ivelomana anivon’ny ankohonana Ka zary mampitonana Ireo kamboty velon-dreny Ho eny rehetra eny (...)45 «Tsapa araka izany, fa ambavahaona mandrakariva ny fiainan'ireo vahoaka madinika tsy mahita sakafo. Tsy moramora ho an'ireo vahoaka madinika ny mitady izay harapany. Mety hahita ihany izy ireo, nefa dia kely dia kely, tsy ampy hanaranam-po. Fandre matetika ny teny hoe tsy fahampian-tsakafo. Tsy mahataitra firy intsony satria iainan'ny ankamaroan'ny olona. Na ilay sakafo misy fa lafo, na tsy misy mihitsy. Mahatonga ny olona hanao sakafo tapa-kibo izany na handry fotsy mihitsy aza rehefa alina. I H.A.N RAKOTOARISON ao amin'ny Tsarako46 dia manambara ny vokatra ateraky ny tsy fisian'ny vary. Mahatonga ny saina ho kivy izany ary koa ny tsy fahampian'ny herim-batana.

44 VA 055 « Haika » 45 VA 074 « tarazo » 46 (R.H.A) NARY : Ny tsarako, tak 6-8 I Moxe RAMANDIMBILAHATRA koa, ao amin'ny boky nosoratany, dia milaza izany tsy fahampian-tsakafo izany. Ambarany ao amin'ny tononkalo mitondra ny lohateny hoe: “Ny hany sisa vola” fa tsy mahavidy na vatomamy ho an-janany aza ny ambim-bola tavela tany aminy rehefa avy nandoavana ny hofan-trano sy vidin-jiro. Izany hoe tsy misy intsony ny vola hividianana ny sakafo anio, fa rahampitso indray mitady. Hoy izy: Ny hany sisa vola Tavela tao am-paosiko Raha avy nanalàna Hofan-trano, vidin-jiro Dia viviny dia viviny Tsy nahazo vatomamy Ho an-janako tomany Soa fa misy ny ampitso Hivarotako herin-tsandry Hiantohana ny vary Sy ‘zay mba sira kely Hilaofana an’izany Hanofisafisan-tsirony Eo am-pitelemana azy. (...)47 Hita taratra amin'io tononkalo io koa, fa ny hanina anio tadiavina anio, ny sakafo rahampitso, tadiavina rahampitso. Mahatsikaritra ny manjo ireo madinika koa i ARNi ka hoy izy: Izaho tsy maintsy mihira, mihira ireo mahantra Izay mandry tapa-kibo, indraindray aza mandry fotsy (…)48 Anterin'ny mpanoratra eto fa misy ireo olona mandry tapa-kibo sy mandry fotsy. Misy fiantraikany any amin'ny herim-batana izany. Rehefa ny hery hoenti-miasa no tsy ampy, dia tsy hamokatra firy ihany koa. Vokany: mihena ny vokatra azo, tsy mandeha amin'ny tokony ho izy ny famokarana, ka vao mainka miampy ny tsy fahampian-kanina. Ny vatana aza eto tsy ampy sakafo, vao mainka ve ny saina.

47 (M) RAMANDIMBILAHATRA : Asa maha-olona … itsenana ny ho avy, Antananarivo, Janoary 2006, tak 2 48 VA 08 « Hihira aho »

39 2.2. Ny hanoanana ara-tsaina Tsy ny vatana ihany no mety ho noana fa ny saina ihany koa. Ilaina, noho izany, ny fanomezana fahalalana azy. Matetika dia ny vahoaka madinika no tena voa mafy amin'io lafiny iray io satria manampy ny ray aman-dreny eo amin'ny raharaha ny ankizy, ary ny vola hoenti-manana izany tsy misy. Ireo ray aman-dreny koa efa tsy mahay rahateo. Vokany: misy ny habadoana. Zava-misy aty amin'ny tany andalam-pandrosoana ny habadoana. Maro ny olona tsy nandia ny tokotanin-tsekoly akory. Betsaka ny tsy mahalala ny tokony hatao raha sendra zava-tsarotra. Tsy vitsy ireo voambaka ka zary miampy indray ny fahantrana. Hoy i ED ANDRIAMALALA manantitra izany: “Endrika iray isehoan’ny tsy fahampian’ny fanabeazana ara-tsaina eo amin’ny firenena ny fahantrana, fa tsy noho ny tsy fisiam-bola velively”49 . Tsy azo odian-tsy hita ny loharano niteraka ny ony. Ny rafi-pampianarana najoro teto amin'ny firenena mihitsy no nisy fiangarana. Tamin’ny andron'ny fanjanahantany, dia ny fandaharam-pianaran'ny vazaha no nahazo laka na mody nampidirina aza ny teny sy ny tantara Malagasy. Nony azo ny fahaleovantena dia izay sokajin'olona manodidina sy nahaihay ny mpitondra no tafiditra tamin'ny sekolim-panjakana: sady tsara mpampianatra no tsy andoavam-bola be loatra. Ny an'ny vahoaka kosa dia tany amin'ny sekoly tsy miankina ka sady nandoa vola no tsy dia zarizary loatra ny fampianarana. Taty amin'ny Repoblika faharoa dia noezahina ny hanaparitahana ny sekoly manerana ny Nosy. Tsy ampy, anefa, ny mpampianatra ary ny fahaizan'ny ankizy tsy nitondra azy ho amin'ny fikarohana samihafa, fa nanomana olona hamantam-bonona: hiasa birao. Ny ankamaroan'ny ray aman-dreny aza tsy nandefa ny zanany hianatra. Vokany: bado nv vahoaka ka mora ambakaina sy tsentsefina. Ity asasoratr'i ARNi mitondra ny lohateny hoe "Tambatra" ity dia ahatsapana ny tsy fahaizan'ny olona.

Iray ampiana iray tsy roa Koa tandremo ianao sao voa Isao tsara. Eto ny mpanoratra dia mampitandrina sady mampianatra. Manoro hevitra fa tsy misorona mba tsy ho voambaka ireo madinika.

49 (ED) ANDRIAMALALA : Ilay vohitry ny nofy, op cit, tak 14 Ampahafantariny koa, fa ny madinika dia mpaninjara ka tokony hahay hikajy sy hitantana mba tsy ho maty antoka. Tokony hahalala ny antsipirihan-javatra. Ny tsy fahaizana izany dia mety hanamafy indray ny fahantrana efa mby an-koditra: (…) Fa ianao dia mpaninjara Tsy mpivarotra ambongadiny Mafy loatra izany adiny. (…) Antitranteriny koa fa tsy tokony ho voarebireby amin-javatra tsy manaraka lôjika, amin- javatra ambongadiny fotsiny ny vahoaka madinika. (…) Fa iray ampiana iray Tsy miova iray ihany Na avadikao ho ambony na ambany50. Noho izany, ny fanabeazana dia fototra iray lehibe iankinan'ny hoavin'ny vahoaka. Ilaina ny mahay mba tsy ho voambaka ka ho tsentsefin’ny sasany. Ilaina koa ny fahaiza-mitantana sy mikajy ary ny fahamalinana. Fototra iankinan'ny maha-olo-mendrika na tsia ny fanabeazana. Toa vitavita ho azy eny fotsiny izany amin'ny vahoaka madinika: tsy miditra an-tsekoly ny zaza, ny lehibe tsy miraharaha. Ny saina amam-panahy, anefa, mitaky fanabeazana feno sy ampy, mba hahatonga ny olona ho olom-banona. Hoy Regis Rajemisa RAOLISON mamaritra izany: “Ny fanabeazana dia fomba entina manabe, izany hoe manolokolo toetra tsara ao amin’ny zaza mba hahatonga azy ho lehibe ho olom-banona”51. Ilaina ny fahalalana. Sehatra maro no ahafahana manovo izany: any an-tsekoly, eo amin'ny asa, eo amin'ny fifaneraserana. . . Tsy ahitana taratra izany loatra eo amin'ny tontolon'ny vahoaka madinika fa ny fitadiavana izay hatokona no vaindoban-draharaha. Ankizy mikarenjy no hita, eny an- tsisin-dalana no sekoliny. Sady noana no mirenireny. Mampahatsiahy ilay tononkalon'i DI manao hoe: (…) Izay hoe ankizy voky Nofinofy mahangoly

50 VA 057 « tambatra » 51 R.R. RAOLISON, op.cit, tak 210

41 Mainka moa fa ny ho boky Sy fîdirana an-tsekoly52 . (…) Tsy mahalala ny tokony hoteneniny sy ambarany ireo ankizy ireo: teny ratsy no aloaky ny vavany, tsy mahalala menatra. Ny fandraisana andraikitra ataon’ny fiarahamonina koa tsy misy rahateo satria efa toe-javatra iainana andavanandro ny toy izany. Matetika dia avy amin'ny ray aman-dreny na ny fiarahamonina iainana no ianaran'ny zaza ireny. Toa efa lasa "kolontsaina mihitsy". Ireo trangan-javatra ireo dia toa mampitamberina ao an-tsaina ilay tononkalon’i Manitra ANDRIAMASINORO mitondra ny lohateny hoe "Ikalamavo". Ny fitenin-janany tsy mahazatra, Voambolana hafahafa Mivariraraka mandratra Norantoviny an-tsekoliny, sekoly arabe Raha ompa, ngoso, fanozonana, taovam-pananahana Ireo sy ny hafa no mibahana Sekoly maharitra ny azy Fa tsy sekoly alahady53. (…) Toa te hanamafy ny mpanoratra eto fa tsy mahazo fanabeazana ireo ankizy ireo. I ARNi koa dia mahita ary maneho fa tsy voakarakara ny zanaky ny madinika: eny an-tsisina arabe no falehany, ankizy maloto, tsy misy mpiahy. Eny no mikiakiaka sy miantso vonjy ary mirenireny. Ny endrika ivelany maloto, ny akanjo tsizarizary. Mampitamberina ao an-doha ilay asasoratr’i DI manao hoe:

(…) Ny fitafiany amin’izay lamba tonta sy maloto54 (...)

52 Di : « zanak’iza », in Haisoratra sy fiarahamonina, natontan’ny FTM, Antananarivo, tak 107-108 53 (M) ANDRIAMASINORO : tontolo isainana, Faribolana Sandratra, tak 20-21 54 Di : zanak’iza », op.cit Any am-pianarana no tokony hisy azy ireo: hianatra sy hobeazina hanana toe- tsaina mendrika. Noho ny fahantrana sy ny tsy fisiana, moa, dia tsy afaka manoatra ireo ray aman-dreny fa avela ho amin'izao fotsiny. Na dia niantsoantso aza ny fitondrana tamin'izany fotoana izany hoe "ankizy ankehitriny: mpanangana ny hoavy" dia zaza maditra sy bado no hita. Hoy i ARNi milaza izany: (…) Ny sofinao mihaino ve no finaritra mandre Ny kiaka antso vonjy ataon’ireo ankizy Mameno sisin-dalana mikarenjy an-dalam-be Misaringo-borodamba misolitika izay tsy izy (...) Kanefa anie ireo zaza dia tokony hianatra Zava-misy izany fa tsy mba vazivazy55. Araka izany, tsy ampy ny fanabeazana ny zaza eo amin'ny ara-tsaina. Mety ho toy izany koa angamba ny ara-panahy.

2.3. Hanoanana ara-panahy Mila beazina koa ny lafiny fanahy eo amin'ny olombelona satria izy dia "fitambaran'ny vatana sy saina ary fanahy”56 araka ny famaritana nomen’i Henri RANDZAVOLA. Misy heviny roa ny "fanahy": - Ilay Fanahy kristianina (Fanahy masina) izay heverin'ny mpino izany fa manolo-tsaina, mitari-dalana ary manampy azy. Nomen'Andriamanitra izay mino Azy. Ho an'i R. ZANAMIHOATRA: "Ny fanahy dia ilay saina ao amin’ny olombelona izay te hihoatra ny fiainana ara-batana. Ilay mitady ny hafa. Ary io fanahy io izay mitady hery tsy hita, ilay mitady firaisana amin’Andiiamanitra, ka mahatonga ny hoe fivavahana57.

Rehefa dinihina akaiky dia toa misy ifandraisany ihany ireo famaritana roa ireo: samy mahatonga ny olona hivavaka.

55 VA 013 « … VE ? » 56 (H) RANDZAVOLA : « Ny tsy maintsy ilàna ny fitaizam-panahy” 57 (R) RZANAMIHOATRA : in aingam-pivorana, oktobra 1979, tak 53

43 - Ilay fanahy izay avy amin'ny fototeny hoe "ahy", ka mahatonga ny olona hanahy sy/na hiahy ny fiainany. I R.P Antoine RAHAJARIZAFY dia namaritra izany fanahy izany ho “ilay enti- mieritreritra na enti-misaina, ilay enti-mitsapa ny atao na tokony na tsy tokony, na mety na tsy mety, araka ny toetr’olona iraharahana sy ny toe-java-mitranga”58. Manambara toy izao koa RANDRIAMAROLAZA Louis Paul: “Ny fanahy, ho an’ny olombelona mitady anjara, no fitaovana mavesa-danja indrindra. Endrika sy tohin’ny saina izy; ka raha tsy misy saina tsy mety misy fanahy, ary mety misy manan- tsaina nefa tsy manana na tsy ampy fanahy59. Ireo famaritana roa ireo dia samy mametraka ny fanahy ho ambony kokoa noho ny saina, ilay fitaovana hoenti-miahy na manahy ny tena sy ny ankohonana, ny hoaviny, ny fiainany sy ny sisa... Noho ny hasarotan'ny fiainana, dia tsy hita taratra eny amin'ny vahoaka sahirana ny fananana ireo na ny fisiany. Toa olona tsy misy na tsy ampy fanahy ny fahitana azy: tsy mitsinjo ny voninahitra sy ny maha-ray aman-dreny. Tsy manao ny andraikitra tokony hataony fa mampianatra ny zanaka hanao zava-dratsy aza. Ambaran'i ARNi ao amin'ny asasorany izany: (...) Ilay reny mba hitaiza natao hanolokolo No indro mamosavy ny taranaka hifanolo Tsy ahitana intsony na dia tapa-mofo Fa variana amin’ny filàna mifahatra amin’ny nofo (…)60 Ambaran'ny mpanoratra eto fa na dia efa reny aza dia mbola mivaro-tena ihany. Lazain'i ARNi koa fa mamosavy ireo taranaka aty aoriana. Efa tena tsy misy fanahy intsony ny olona noho ny fahantrana. Sady tsy mitsinjo ny maha-reny no tsy mitsinjo ny hoavin'ny taranaka. Izany hoe manimba tanteraka ny maha-olona sy ny maha-reny. Ankoatra izay, tsy mandray andraikitra amin’ny asa natao fa toa mandeha ho azy. Sahala amin'olona tsy manana adidy amin'ny zanaka ny ray aman-dreny: ny ray tsy fantatra, ny reny tsy manolokolo. Heverina ho toy ny fiainam-biby. Mampahatsiaro ilay tononkalon'i DI ihany koa ny toe-javatra toy izany: Zanak’iza moa ireny

58 R.P.A RAHARIZAFY : Filozofia Malagasy, Ambozontany Fianarantsoa, Analamahitsy, Antananarivo, 2004, tak 20 ; 21 59 (L.P) RANDRIAMAROLAZA : Hiratra, lah 1, tak 122 60 VA 013, op.cit Aiza mantsy izay mba ray? Mïsy ve fa tsy miteny Miteraka dia ampy izay?61 (...) I ARNi koa dia manatintrantitra fa na ny rainy na ny reniny dia tsy fantatr'ireny zaza ireny: (...) Tsy reny hanolokolo na ray mba hananatra Tsy fantany akory aza izay niteraka azy. (...) Toe-javatra misy ary tsapa eo amin ny sehatry ny fanabeazana eo amin'ny fiarahamonin'ny vahoaka inadinika ny toy izany. ; Azo ambara fa samy maka ho azy ny fiainan'ny vahoaka. Tsy misy andraikitra raisina, tsy misy ny fanahiana ny fiainana. Izay ahitana sakafo sy vola no tanjona: "Ny vola mantsy, hono, no hozatry ny fiainana".

3. Ny vahoaka madinika sy ny herin'ny vola Imatimatesan'ny olona fatratra ny hanana vola. Ny vaventy mikaroka azy, ny madinika mitady azy. Inona marina moa izy io?

• Ara-bakiteny : Ao amin'ny Rakibolana Malagasy, R.R. RAOLISON dia mamaritra ny atao hoe vola ho “taratasy na metaly misy sary voamarika, ataon’ny Fanjakan’ny tany tsirairay avy ka manan-kery amin’io tany io hahazoana mividy zavatra”62. • Ara-kevitra mitatra: Hoy i E.D ANDRIAMALALA ao amin'IIay Vohitry ny Nofy: “ny vola toy ny ranon-tsira, ka arakaraka ny isotroana azy no mampangetaheta: tsy misy ny mahafa-po, fa ny manana anjatony te ho mpanarivo, ny manana an’aliny te hanapitrisa”63. Te hanambara izany fa ny vola dia: - Misintona ny olona ho tia azy. - Rehefa azony dia tsy avelany raha tsy mitady sy mampitombo azy. Izany no mahatonga ny olona sasany hivarilavo amin'ny fitadiavana ity vola ity:

61 DI : « zanak’iza », op. cit 62 R.R. RAOLISON : op.cit, tak 1039 63 E.D ANDRIAMALALA : Ilay Vohitry ny nofy, op.cit, tak 127

45 ao ny mangalatra, ao ny mivaro-tena, ao ny mamono olona... Manana ny filazany momba ny atao hoe vola koa i FETY Michel: “(…) Eny vola daholo no ampiasaina amin’izay rehetra tian-katao, na inona na inona (...), ka dia ny vola izany no azo lazaina fa fanalahidy matanjaka indrindra ahazoana mamaha ny varavaran-karena”64. Izany hoe tsy misy tsy vitan'ny vola na inona na inona. RAVELOJAONA indray dia milaza fa ny vola dia: “Irakiraka faingan-tongotra, sady kinga tanana, no matanjaka sy mahay. Tsv misy tsy efany, tsy misy mahatoraka azy (...) fiasana makadiribe eo amin’ny fiainan’ny olombelona ny vola65. Amin'ity famaritana farany ity dia mampiharihary ny herin'ny vola RAVELOJAONA: ny vola dia mahery ary fitaovana matanjaka sady lehibe nefa mora ampiasaina. Araka ny fiheveranay, ny vola dia ilay fitaovana manan-kery lehibe dia lehibe, ka izay tsy manana azy dia toy ny efa fadiranovana ery. Amin’ny alalany no ahavitan- javatra, ahazoana izay ilaina eo amin'ny fiainana. Manondrotra ny voninahitra ny fananana azy betsaka satria "ny vola no maha Rangahy". Noho ny herin'ny vola àry dia rafitra mitady azy avokoa ny olona rehetra: tsy anavahana saranga. Ny manana anton’asa, manantena ny isam-bolany, ny tsy manana kosa mitady isanandro. Ireo vahoaka madinika no tena ahitana taratra ny firotorotoroana amin'ny fitadiavam-bola: mikarama amana olona, mitondra entana, manao asa an-tselika etsy sy eroa, ny sasany aza mivaro-tena mihitsy. Marika iray milaza ny tsy fisian'ny fanabeazana ny fivarotan-tena. Manambara ihany koa ny toe-tsaina efa mivarilavo: asa tsy mendrika ny maha olona. Noho ny tsy fananana sy ny fahasahiranana, dia voatery manao izany ireo vahoaka madinika tsy manan-koraisina: mivoaka alina mitady vola. I I.P. ANDRIAMANGATIANA dia manantitra etoana fa: “Tsy mahalala alina ny fitadiavana, mahazaka maniraka ny vola”66. Mampiseho izany fivarotan-tena izany i M. ANDRIAMASINORO ao amin'ny tononkalony nosoratany, mitondra ny lohateny hoe "Ikalamavo". Ahitana renim- pianakaviana iray mivaro-tena mba hahazoam-bola noho ny fahasahiranana sy ny fahantrana. Fivarotan-tena no hevitra hitany na koa atao hoe mora indrindra ahazoana vola mba hohanin'ny ankohonany izay efa teren'ny tsy fisiana sy ny fahantrana.

64 FETY Michel : Nahoana no avondrona ho fokonolona isika? Ed Salohy, tak 57 65 RAVELOJAONA : Ny vola sy ny heriny amin’ny taranaka ity, in mpanolo-tsaina, sept 1927 66 I.P ANDRIAMANGATIANA : Vakivakim-piainana, 1988, tak 19 Ny tontolo mangetany Ny zefatry ny entany Ny rafitra iforetany No manosika azy hanainga zipo Indray hariva fahavaratra Ho vodiahitrarivo fitselehan’ny sasany ..67. (…) Mbola fivarotan-tena ihany koa, vokatry ny tsy fisiana tao an-trano no asehon'i Harioley ao amin'ilay sombintantara mitondra ny lohateny hoe “Raivo mpanota”68. Ambarany amin'izany fa olona ao anatin'ny fikambanana ao am-piangonana i Raivo no lasa nivaro-tena noho ny fahasahiranana. Azo tsoahina avy amin'izany fa fitadiavam-bola ho an'ny vahoaka sahirana ny fivarotan-tena. Tsy latsaka izany koa ny fanehoan'i ARNi izany amin'ity asasorany ity, izay ilazany fa tsy mahalala menatra ireo olona manao io asa io. Tsy zazavavy, tsy reny dia toy ny entam-barotra mirantiranty iadiam-barotra. Very hasina sy mietry voninahitra noho ny fitadiavam-bola izy ireo. Tsy mifidy na andro mafana na mangatsiaka. Ny fahantrana no mahatonga io toe-javatra io. Toa manontany mihitsy i ARNi eto hoe: Ialahy ve mody fanina sa tsy te hahalala Ireo manangintsika mandravaka arabe Tsy andro mangatsiaka, tsy ora-mamanala Dia mampiseho ilay bika mihantsy anao mpandeha Manomboka amin’ny vantony ka hatramin’ireo raneny Dia samy iadiam-barotra, hoy ireo manafo nila. (…)69 Tsy misy hasina sy haja intsony eo anatrehan'ny fiarahamonina ny mpivaro-tena satria efa toy ny entam-barotra amidy. Very ny fanahy maha olona ary tsy manana ny maha izy azy intsony noho ny fahantrana. Manitatra ny saina hiantsampy amin'ny fitiavam-bahiny ity fitadiavam-bola ity. Toetra efa tsy manavao antsika ny fitiavam-bahiny. Vokatry ny toe-tsaina nentin'ny mpanjanatany teto io, izay manindrahindra ny azy Frantsay, fa manambany ny

67 M. ANDRIAMASINORO : Tontolo isainana, Faribolana Sandratra, tak 20-21 68 HARIOLEY : Ny fandrosoam-baovao, numéro spécial, novembre 1933, tak 58-60 69 VA 13, op.cit

47 momba ny Malagasy. Izany no niavian'ny teny fanamavoana ny an'ny tena hoe "vita gasy'" na "gasigasy". Dia toa izay vita tsara sy tiana hodokafana dia natao hoe "vita vazaha" na “vita avy any am-pita". Mandraka ankehitriny dia mbola hita taratra izany. Io toe-javatra io dia mampitamberina ao an-tsaina ny tenin'i FETY Michel hoe: "Izany fanabokana ny fomba amam-panao Malagasy izany no nahatonga ny taranaka aty aoriana ho niendaka tsikelikely tamin’ny maha malagasy ka nitodihany betsaka tamin’ny fomba fanao vazaha (...). Ary dia tsy nahalala firy ny amin'ny tenany sy ny fomba amam-panao Malagasy ...”70. Vokatr'izany toe-tsaina izany, dia manary ny maha isika antsika isika ka mandray ny an'ny vahiny ho filamatra sy tena halain-tahaka. Hatrany amin'ny toe- tsain'ny mpivaro-tena dia ahitana izany. Miantoraka eny amin'nv vahiny satria be vola ireny ary manana fomba lazaina fa "ambony". Na dia tsy mpivaro-tena aza dia manana io fomba fisainana io satria ny "vola, hono, no hozatry ny fiainana". Koa dia mamela ireo Malagasy mpiray tanindrazana aminy hangaihay sy tsy ho afa-po amin'ny azy. Noho izany, ny tsarantsika lasany fa ny ratsiny kosa tiantsika noho "ravola" ihany. Hoy i ARNi manambara izany: Ny tovovavintsika? Ny fony mangatsiaka Ny hafa no trotroiny Ny vola no tompoiny. (...) Toerana tsy natokana ho anao izay tera-tany Voatokana hozahan’ Ireo mpizaha tany. (...) Kanefa ny hamevany Nanamaivanany ny teraky ny taniny71 . Araka ny voalazan'i ARNi, ireo tovovavy Malagasy ireo dia tia vahiny noho ny volany. Avelany hanaram-po amin'izay tiany. Very ny maha-izy azy satria manompo vola. Ny vola, anefa, dia natao ho fitaovana hampiasaina fa tsy andriamanitra ho tompoina. Manantitra izany RAVELOJAONA hoe: "Ny vola no natao ho an 'olona fa

70 (M) FETY : op cit, tak 9-11 71 VA « Ny tovovavintsika » tsy ny olona no natao ho an’ny vola”72. Azo lazaina izany, araka ny efa fantatra, fa tsy ahafantarana ny tokony sy tsy tokony hatao rehefa ny fitiavam-bola be loatra no mibaiko. Eo ihany ny fîtiavam-bola, eo ihany ny fitadiavan-tsakafo, fa ny fonenan'ireo madinika no mba manitikitika ny saina: mipetraka aiza izy ireo? Manao ahoana ny tranony?

4. Ny madinika sy ny fonenany Anisan’ireo zava-dehibe nampanantenaina tamin'ny Repoblika faharoa ny fananana trano fonenana tsara sy ara-dalana. Saingy vao mainka nipoitra tetsy sy teroa ireo trano bongo sy tsizarizary, izay onenan'ireo vahoaka madinika maro an'isa mahantra. Hoy ny tenin'ny Filoham-pirenena tamin'izany: "Ireo trano bongo manimba ny tarehin’ny tananantsika dia hofoanana (...) na dia fantatra aza fa ao no monina nyankamaroan‘ireo vahoaka madinika izay tsy mba afaka mivelona toy ny olona rehetra”73. Takaitra hatramin'izao ireny fonenana tsizarizary ireny. Misy aza tsy manana mihitsy izay handriany fa izay hahatongavan'ny alina no atoriany, na aiza na aiza. Tsy zava-mahagaga atao mahatalanjona ny tsy fisian'ny toeram-ponenana eto amintsika. Angamba tsy laharam-pahamehana loatra. Ireo vahoaka madinika no iharan’izany: ny aty ambonivohitra dia eny "an-tsisin-tosy" sy eny ambany lavarangana eny na eny an-tsisin-dalana: ny any ambanivohitra dia zara raha misy rindrina sy tafo. Mandry amin'izay tiany handriana, monina amin’izay tiany honenana izy ireny. Tsy misy koa moa ny politika mifandraika amin'izany, ary raha misy aza dia ho an'ireo mpanam-bola izay te hividy izany ihany. Toa olona very zo eo anivon'ny fiaraha-monina fa any amin'ny toerana tsy mendrika no matory, izany hoe tsy manana trano mihitsy ireo madinika. Lazain'i ARNi eto izany tsy fananana toeram-ponenana izany. (…) Izaho tsy maintsy mihira ireo izay tsisy mpiantra Ireo olona nianjeny matory an-tsisin-tosy. (…)74 Tsy manana trano hodiana akory ireo voalazan'ny mpanoratra ireo:

72 RAVELOJAONA : op.cit 73 (D) RATSIRAKA : « Boky mena », Fototra iorenan’ny Revolisiona Sosialista Malagasy, tranom- piritim-pirenena, Antananarivo, Novambra 1975, tak 198 74 VA 08, op.cit

49 mirenireny dia mandry amin'izay tiany. Toy ny olona very zo sy ailiky ny fiarahamonina. Ankoatra izay, misy manana trano ny ankamaroany saingy tsy zarizary. Tsy manara-penitra ny fonenan'ny tontolon'ny vahoaka madinika: zara raha fantatra hoe trano onenana. Ny rindrina ihany, angamba, no itoviany amin'ny hafa. Ny sisa kosa tsy araka ny tokony ho izy izay takin’ny maha olombelona: varavarana, tafo, gorodona .... Ny ao anatiny tery sady maloto: tsy ara-pahasalamana, tsy misy ny rano fisotro madio, tsy misy lava-piringa. Fijaliana lava izao no hita. Matetika izy ireo no tratry ny orana sy ny hatsiaka satria zara raha mitafo sy misy varavarana ny tranony, Ny fikambanana OTRIKAFO dia manambara ireo tsy fanjarian'ny fonenan'ny vahoaka madinika ireo. Hoy izy: "marobe ireo tsy manan-kialofana, marobe ireo mipetraka amin’ny trano tsizarizary (tsy misy rano sy jiro, tsy misy lakozia, olona maro no miara-monina amin’ny efitra iray ety) marobe ireo voatosika tsy afa-monina an- tanan-dehibe intsony...75. Mbola manantitra izany toe-javatra izany koa i DI ao amin'ny tononkalony hoe "zanak'iza": (…) Ny lava-trano izay itoerana? Tapatapaka fanitso ka vao rivotra miserana ... tafo lanitra ny ampitso76 . (…) Milaza io fonenana tsizarizary io koa i ARNi ao amin ny asasorany: (...) Hamanana trano Anaty tafo lanitra (…)77 Mitory ny tsy firaharahan'ny mpitondra Fanjakana ny tsy fisiana sy/na ny tsy fahalavorarian'ny toeram-ponenanan'ireo vahoaka madinika eny rehetra eny. Tsy azo odian-tsy hita koa, anefa, ny ezaka ataon'ny fiarahamonina, saingy ny toe-tsaina mihitsy tsy te hivoatra.

75 OTRIKAFO : Fanehoam-pijery, op.cit, tak 11-12 76 DI , op.cit 77 VA 022, op.cit 5. Ny madinika sy ny toe-tsaina Ny fanabeazana sy ny fiarahamonina no mamaritra ny toe-tsain'ny olona. Misy ny toe-tsaina efa nahazo ny olona hatramin'izay nisian'ny fanjanahan-tany teto Madagasikara. Tsy inona izany fa ny fanabokana ny an'ny tena fa fanindrahindrana ny an'ny hafa. Hoy i FETY Michel milaza izany: "Fa na ny fomba fîsainana Malagasy, na ny fîteniny, na ny fahalalam-pombany [..] fa izay ta handroso dia tsy maintsy miala amin’izany ary koa tsy maintsy mianatra ny fomba amam-panao vazaha78. Koa dia mbola hita taratra ary vao mainka mahazo vahana izany hatramin'izao. Toe-tsaina raiki- tampisaka amin'ny Malagasy io manivaiva ny an'ny tena io. Re ombieny ombieny io fanambaniana ny maha izy azy ny Malagasy io. Tenenina ny hoe "vita gasy" ilazana zavatra tsy tsara loatra. Hatramin'ny teny Malagasy aza atao tsinontsinona. Rehefa miteny dia ampifangaroina amin'ny teny vahiny. Raha tsy izay tsy tsapa fa mandroso, na misongadina, na tsy ho voaray amin'ny asa. Tsaroana eto ilay tenin’i Gallieni manao hoe: ”hatramin’izao, tsy hisy intsony Malagasy hahazo asa aman-draharaha ao amin’ny Fanjakana raha tsy mahay miteny sy manoratra teny frantsay izy”79. Mbola anterin'i RADO koa izany filazana izany ka hoy izy: Mahagaga F’eto an-tanindrazako aho nefa tenin’olon-kafa No takina mba ho haiko vao mahazo anjara asa... (...)80 Nanomboka tamin'ny taona 1975 dia noezahina ny hamerina ny fampianarana amin'ny teny Malagasy. Io ilay antsoina hoe "fanagasiana ny fampianarana”. Ny teny Malagasy no teny enti-mampianatra. Tsara io teny io sady mahafinaritra no mora ahazoana ny hevitra tiana hambara. RAVELOJAONA dia milaza fa: "Fandala izy. Amintsika Malagasy, ny tenintsika mirakitra ny tantaram-pirenena Malagasy”81 . Izany indrindra no nahatonga an'i G. RANIVOARIVELO Gabrielle hananatra ny tanora hitia ny teny Malagasy fa tsy hanao teny mifangaro izay lazainy fa "vary be akotry". Eny re anaka ô! Aza sodoka ny manao firesaka Toy ny vary be akotry lahy...

78 FETY Michel, op.cit, tak 10 79 (Ch) RAVOAJANAHARY : Tantaran’ny haisoratra Malagasy. Fizarana I 80 Dinitra, op.cit, tak 143 81 RAVELOJAONA : mpanolo-tsaina, jolay 1927

51 Fa ireny fiteny mifangaroharo Ankehiteiny ireny manko no Longoa mitoto-bozaka, (…)82 Araka izany, mila tiavina ny teny Malagasy. Tsy latsa-danja noho ny hafa izy. I ARNi koa dia manambara izany fanambaniana ny an'ny tena izany. Tsy inona izany fa ny toe-tsaina "ory hava-manana". Toe-tsaina tsy dia mahomby loatra ity voalaza ity, kanefa dia iainan'ny Malagasy: tsy ankasitrahany raha mba tafasondrotra ny mpiara-monina, na ny havana. Manantitra izany i E.D. ANDRIAMALALA hoe: "Mbola manjaka ao am-pon’ny Malagasy ny fisainana ory hava-manana”83. Io fomba fisainantsika io no mahatonga antsika tsy hiray tsara eo amin'ny fampandrosoana ny firenena, ary mbola izany koa no mampahantra. Na samy vahoaka madinika izao aza dia ahatsapana io toe-tsaina io koa. Hany ka toa mitangorona isika rehefa hanao zavatra, kanefa ny fo sy ny saina ary ny hevitra samy manana ny azy. Simba ilay toe-tsaina tia firaisan-kina sy fihavanana, fa samy te ho tafasondrotra ny tsirairay. Ambaran’i E.D. ANDRIAMALALA fa "noho ny fitiavam-bola tafahoatra nentïntsika namono ny tena fisainana Malagasy, dia nanjary nanana izao toetra hafahafa izao isika: mitangorona fa tsy miray”84 . Tsapan'i ARNi koa io fïsainana "ory hava-manana" io. Nolazainy fa tsy olona lavitra no manao izany fa ny havana akaiky. Tsy misy intsony fiaraha-miombona fa ny fitiavan-tena no manjaka: (…) Haolo ny tanana izahay koa tsy tamana fa ory hava-manana no mibahana ny laka ny fitiavan-tena no zary koa manjaka ny enji-dresin-kavana??

Kamboty no fofoiny

82 G. RANIVOARIVELO Gabrielle, in Lovako, kilasy famaranana, tak 166 83 ED ANDRIAMALALA : Ilay vohitry ny nofy, op.cit, tak 159 84 ED ANDRIAMALALA : Ny fanagasiana, op.cit, tak 51 Maloto re ny fony e!! Miharihary amin'izany ny fomba fanaontsika Malagasy. Tsy mamela ny havana na ny namana ho tafasondrotra. Vokany: sady tsy mety mandroso no miaina lava ao anaty fahantrana isika. Toe-tsaina hita taratra amin'ny Malagasy ihany koa ny "mora mionona". Angamba, noho ny fiahiana ny aina no mahatonga izany: "Aleo maty ampitso toy izay maty androany". Vokatr'izany: tsy te hioitra isika, tsy te hiady, tsy te hampiasa saina. Aleontsika aza miaritra sy miforitra ka ianjadian'izao rehetra izao. Aleo mionona amin'ny hoe: lahatra, anjara, vintana. Finoana nahazo fahatra teo amin'ny Malagasy hatramin'izay ny fiheverana fa ny lahatra, ny anjara, ny vintana no mitantana ny fiainana eto an-tany. Ka izay rehetra miseho dia iononana avokoa fa anjara na lahatra na koa vintana. Toa te hanambara izany tokoa i R.P.A RAHAJARIZAFY hoe: “Amin'ny finiavany ho marina na ho meloka izy no mahazo mifïdy, fa amin’ny sisan’izay dia zakaina sy didian’ny anjara”85. Mbola manatintratintra izany koa i ANDRIAMAMPIAHATONA ka manao hoe: “Tolotra fa tsy vokatry ny natao, ary tsy azo lavina ny anjara”86 . Na izany aza, tsy tokony hampivarilavo izany toe-javatra izany indrindra raha heverina fa anjara ratsy no azonao. Ny ohabolana Malagasy dia milaza fa "raha nanao ny tsy nambinina, ampisambory fa havana ory, fa raha miraviravy tanan-tsy miasa avelao hivarina an-tany". Azo atao, noho izany, ny mionona kanefa tsy mivarilavo fa miezaka ny hioitra foana. Dia toy izany ny finoana ny lahatra sy ny vintana. Heverin'ny Malagasy fa toy ny tora-hato avy any ambony ireo ka tsy azo ialana. Kanefa dia ny Malagasy ihany no manova ny vintany amin'ny alalan'ny ala faditra na fombatomba hafa: ohatra ny fanomezana anarana ny zaza teraka Alakaosy toy ny hoe RATSIMANDRESY na RAFIRINGA mba tsy hanoto ray aman-dreny na hahery vintana ilay zaza. Manantitrantitra izany R.P Adolphe RAZAFINTSALAMA ka hoy izy: “Matoa manarim-bitana na mifaditra izy dia maneho fa tsy miandry izay higadonany fotsiny fa mihambo ho afa-manova ny lamin-javatra sasany”87. Izany hoe mbola afaka miala eo ambany fifehezan'ireo hery ireo ny Malagasy. Izany indrindra no mahatonga an'i ARNi hisarika ny sain'ny vahoaka fa tsy ny anjara sy ny lahatra ary ny vintana no atao alaolana tsy hioirana sy hiezahana.

85 R.P Antoine RAHAJARIZAFY : Filozofia Malagasy, tak 79 86 ANDRIAMAMPIHATONA : Kabary betsileo, Edisiona vaovao, Antananarivo, 1984, tak 33 87 R.P Adolphe RAZAFINTSALAMA : in Lovako kilasy famaranana, tak 64

53 Manentana sady mampahalala izy fa miankina amin'ny tsirairay sy ny ezaka ataony no mahatafavoaka azy eo amin'ny fiainana. Te hilaza ny mpanoratra fa tsy avy amin'ny hery hafa ivelan'ny tena ny fahantrana fa ny toe-tsaina tsy tia mioitra sy tsy te hanao "vy very" no mahatonga azy. “Tsy lahatra akory ny fahantrana” hoy ny tenin'ny mpanao politika iray izay. Izany hoe: miankina amin'ny tsirairay ny mampahantra na tsia azy. Hoy i ARNi: (…) Asanao tsy sahy miteny fa hiforitra anaty ao am-ponao mandra-maty ka inoanao fa ny anjara lahatra ary koa ny vintana no mibaiko sy mitondra ny fîsianao ety ny fivoaran’ny Tantara!88 Tsapa amin’izany ny toe-tsaina sasantsasany mahazo ny vahoaka madinika. Na izany na tsy izany, tsy afaka mitompo teny fantatra izahay. Mety misy koa hery hafa mahatonga ny olona hionona. Heverina fa anisan'izany ny tahotra ny mpitondra Fanjakana.

6. Ny madinika sy ny fitondram-panjakana Eo amin'ny tany na firenena iray dia misy ny entina sy ny mpitondra. Ireo vahoaka maro an'isa dia atao hoe: entina. Ny olom-boafidy neken'ny vahoaka tamin'ny alalan'ny fifidianana na notendrena no atao hoe mpitondra. Ny mpitondra miahy ny vahoaka, ary ny vahoaka manohana ny mpitondra. Ny tsy fahatanterahan'izany andraikitra izany dia mahatonga disadisa sy tsy fifankahazoana intsony. Mety tsy ho araka ny nampanantenaina no ataon'ny mpitondra. Ary koa tsy araka ny nantenainy no azon'ny vahoaka. Maro ny toe-javatra maneho izany: Misy ny mpitondra Fanjakana, rehefa tonga eo amin'ny toerany dia tsy te hahalala intsony ireo nanondrotra azy. Nataony fitaovana niakarana fotsiny teo amin'ny toerany ny madinika. Tsy misy mpitondra Fanjakana eran-tany mandala ny demokrasia ka tsy nofidiam-bahoaka. Mambabo ny fon'ny vahoaka izy hahalalany azy. Atao toy ny

88 VA 26 « Asanao » fitaovana mihitsy ireo valalabemandry. Antsoina hifidy dia mandeha, sarihina hitokona dia mety, tarihina hanohana dia manatanteraka. Avy eo, mivadika rehefa azo ny toerana. Ahilika ny madinika, esorina sao mahita ny tetika atao eo amin'ny fitondrana, fandrao mizara ny tombontsoa ka ho fantatr'olona ny hevi-petsy hanangonan-karena. Vokatr'izany, misy ny hakiviana eo amin'ny tanora sy ny vahoaka madinika. Mahatsapa izy fa natao tohatra fiakarana fotsiny. Antony iray mahatonga ny tanora tsy handray anjara amin'ny fampandrosoana ny firenena intsony izany. Milaza izany ny mpanoratra eto: (...) K'indro kivy ialahy Fa toa atao fitaovana Tohatra fiakarana Ahazoana toerana ... (...)89 Toa tsy misy anton-javatra ilàna ny madinika raha tsy hanondrotra ny mpitondra ho eo amin'ny toerany ihany. Izany hoe atao tsinontsinona izy. Zava-misy iainan'ny madinika koa ny tsy fijerena ny momba ny fiainany sy ny fivelomany. Raha misy ny dinika iaraha-manao amin'ny mpitondra, dia tsy heverina na tsy tanterahina ny hetahetam-bahoaka. Ny fanilikiliana ny solotenam-bahoaka no atao raharaha satria manelingelina ny tetika hatao. Izany toe-javatra izany no mitarika hakiviana eo amin'ny tanora. Heveriny ho toy ny "zaza vao" ny tanora. Sady tsy mpiray "afera" aminy rahateo. Ireo mpitondra sy ny manodidina azy, mantsy, dia tsy nanan-tsaina afa-tsy ny fangoronan-karena. Izy, mpihavana sy mpiara-mihinana ihany no nitantana ireo orinasa noraisin'ny Fanjakana an-tanana na dia tsy niofana tamin'izany akory aza. Nahodiny ny vola nosamborina avy any ivelany ka nampanan-karena ireo olona ireo. Anterin'ny mpikambana ao amin'ny OTRIKAFO izany ka hoy izy: “Nahodiny ho azy mianakavy ny harem-pirenena mbamin’ny vola nosamborin’ny Fanjakana. Izy mianakavy sy ny forongony no nameno kitapo izaitsizy tamin’izany”90. Araka izany, dia ataon-dry zareo eo amin'ny fitondrana ny manaisotra ireo olom- baovao na ireo tanora tsy hitsabaka ny raharaha tokantranony. Vokatr'izay: kivy ireo tanora, tsy te handray anjara amin’ny fampandrosoana, mitazan-davitra fotsiny:

89 VA 034 « … Hono » 90 OTRIKAFO : Vahaolana mahomby, novolavolaina sy natontan’ireo mpikambana ao amin’ny OTRIKAFO, Antananarivo, janoary 2006, tak 44

55 Hoy i ARNi manambara izany: (...) Ka alaim-panahy ialahy tsy hanarina izay nisy Ny hameno na hanitsy Ny lala-meloka hizorany. (…)91 Noho ireo antony sy toe-javatra voalaza etsy ambony ireo, dia tsy misy mihitsy olom-baovao, ankoatra ireo efa ”goaika antitra”, tafiditra eo amin'ny fitondrana. Atahorana, manko, sao dia fantatry ny valalabemandry ny hevi-petsy samihafa sy ny fangoronan-karena tsy marina atao. Noho izany, tsy afaka miditra ao mihitsy ireo tanora vao misandratra satria lazainy fa "basivava" ka sao mampibaribary ny ratsy izay nafenina. Vokany: leo tanteraka ny tanora ka tsy miraharaha intsony ny raharaham- pireneny. Hoy i ARNi milaza izany: (…) Tanora, hono, ialahy Eny, mena vava Ka ailika avy hatrany Fa somary basivava Mampibaribary Ny ratsy izay afenina Ka indro ialahy fa leo Tsy te hahalala intsony ’zay lalana itondrany Nv tokantranontsika. (...) Voailika tokoa ny tanora eo amin'ny raharaham-pirenena. Lazaina, anefa. fa "ny tanora no hoavin'ny firenena". Am-bava fotsiny izany fa tsy misy fampiharana. Eo anatrehan'izany toe-javatra mampalahelo izany, ireo olona nantenain'ny vahoaka hisolo tena azy, ireo solombavambahoaka, dia mangina sady tsy sahy mitsikera ny tsy mety ataon'ny fitondrana. Eo amin'ny fifampitondrana, dia misy ny fandaminana atao. Misy ireo solombavambahoaka hitondra ny hetahetany any amin'ny mpitondra. Ireo ihany no

91 VA 034, op.cit mitatitra any amin'ny vahoaka nifidy azy ny zavatra tapaka tany. Noho ny tahotra ny mpitondra, dia tsy sahy miteny izy ireo: sady tsy mitatitra aty amin'ny vahoaka ny zava-misy ao amin'ny fitondrana no tsv milaza ny zavatra ilain'ny vahoaka any amin'ny mpitondra. Tsy manao ny asany izy ireo, noho izany. Ambaran'i ARNi fa: Hangina ny boloky Hangina tsy hiteny Ny hitany sy reny! Hangina tsy hamoaka Ny hiakan-dravahoaka. (...)92 Zava-dratsy izany hoe solombavambahoaka nefa mangina, hangina tsy hitaky izay tadiavin'ny olona soloiny vava. Noho izany, azo raisina ho mpiray tsikombakomba amin'ny mpitondra, mpivaro-tanindrazana ary fanetribem-pirenena: olon-tsy vanona, tsy mataho-tody. Manantitra izany i ARNi: (...) Maniny ireo mpitondra Mpandrendrika vahoaka Mpivaro-tanindrazana . Manaraka izany, hita koa eto fa manjaka tanteraka ny tahotra satria raha miteny dia tapa-doha. Olona tsy mifaditrovana mihitsy no ilazana ny mpitondra. Maty loha sy lon'ny sain-drongoniny no ilazan'i ARNi azy. Tsy atao mahagaga raha misy ny fanapahan-doha sy vono olona. Mamy ny toerana misy ary tsy te ho voaelingelina ny mpitondra. Noho izany, dia tsy maintsy esorina izay manelingelina rehetra na amin'ny fomba feno habibiana aza. Manambara izany koa ny mpikambana ao amin'ny OTRIKAFO fa nisy ny: "... vono olona sy ny sisa tsy voatanisa intsony (...)”93 teo amin'ny fitondrana. Ny tahotra ny ho faty ihany koa no mampangina ireo solombavambahoaka. Manantitra izany i ARNi: (…) Hangina ny boloky ninia nanapa-dela sao voatapa-dohan

92 VA 085 « Boloky » 93 OTRIKAFO : Vahaolana mahomby, op.cit, tak 17-18

57 ‘ilay mpitondra maty loha sy lon’ny sain-drongoniny. Tsy manao ny asany araka ny nifidianana azy ireo solombavambahoaka izay antsoin'i ARNi hoe "Boloky" eto. Anarana isalorana fotsiny no entiny. Toa miady irery ny vahoaka satria ny nantenainy mba hisolo vava azy mangina noho ny tahotra ny mpitondra. Toy ny olona tsy manana hazon-damosina izy ireo ary tsy misy fahatsiarovan-tena amin'ny asa nankinina taminy. Antitranterin'i ARNi koa izany fanginana izany: (...) Hangina ny boloky Hangina tsy hilaza Ny tsy zakan’ny vahoaka. (...) Hita amin'izany fa ampangain’i ARNi ho saribakolin’ny mpitondra ny solombavambahoaka. Tsy saribakoly fotsiny fa mpanara-drenirano. Tsy manao ny asany, mpamadika vahoaka. Hoy ihany ny mpanoratra manantitra izany: (…) Hangina ny boloky hangina tsy hivolana ireo zavatra mitranga mampibary sy miampanga Ny laingabe afafin’ ireo marary saina. Sahala amin'ny tany tsy misy lalàna ny firenena ahitana toe-javatra toy izany. Kanefa dia miaina izany ny vahoaka. Natao ho an'iza ary ny lalàna?

7. Ny vahoaka sy ny lalàna Araka ny famaritana ao amin'ny Rakibolana Malagasy, ny lalàna dia: ”Fitsipika na amboaram-pitsipika tsy maintsy arahin’ny rehetra, avoakan’ny mpitondra Fanjakana na voarakiny ny fomba amam-panao fahagola tany, na amin’ny solombavambahoaka”94. Raha araka io famaritana io dia ambanin'ny lalàna avokoa ny olona rehetra. Tsy tokony hisy olona na sokajin'olona hihoatra ny lalàna.

94 R.R. RAOLISON, op.cit, tak 525 Ny zava-misy, anefa, dia ny madinika ihany no iharan'izany. Dradraina fa "tsy misy ambonin'ny lalàna". Raha amin'i ARNi manokana. dia ny lehibe na ireo mpitondra no ambony, fa ny madinika kosa no ambany lalàna : natao hanorotoro ny madinika tsy ho afa-mihetsika, kanefa lalàna malalaka ho an'ny lehibe ahafahany mitsambikina. Milaza izany i ARNi: (…) Ny didy sy lalàna natao ho fiarovana Ny satan’ny miaina Manjary mahatorovana Mampikomy saina Fa zary fefy iva ilay manda izay najoro Ny kely indray no fesina, potika sy toro95. (…) Ambaran ny mpanoratra amin'izany, fa ny madinika no nanaovana ny lalàna fa tsy ny mpitondra. Madinika ka tsy mba "mahitahita" hialana amin'izany. Jereo eto, fa na ny marina, na ny ratsy dia voageja sy tsy afa-miala. Migadra satria madinika: "voageja maharary fa sendra fefy iva". Manambara izany i ARNi: (...) Na olo-marina izy Na fatsona na tangary Voageja maharary Fa sendra fefy iva.. (...) Misy ny tsy fahamarinana sy fiangarana eto. Tsapa ny fanitsakitsahana ny lalàna ataon'ny ngeza. Ny madinika kosa, na ratsy na tsara, dia voageja rehefa sendra ny lalàna. Tsy ny lalàna ihany no mamehy ny madinika fa ao koa ny sivana. Ny sivana dia fitaovana entina hanalana ny vato amin'ny vary, natao hanavahana ny ampombo malemy sy ny mafy, ny vovoka sy ny baingan-tany. Tsy misy hafa amin'izany ny zava- misy mahazo ny vahoaka madinika: mandalo sivana ny asany rehetra vao azo avoaka. Mandalo sivana koa ny fahaizana amam-pahalalana, ny fangatahana asa ... Ny mahagaga dia tsy mba voahintsana ny asan’ireo ngeza. Mety foana ary vita mora. Tsy azo odian-tsy hita tokoa io toe-javatra io fa nisy teto amin'ny firenena. Ireo atao hoe

95 VA

59 "mahitahita" sy ny "mpanao afera" ary ny olona manodidina ny fitondrana dia tafita foana amin'ny zavatra ataony. Izany hoe misy "kolikoly" ao. Ny madinika mandeha amin'ny fahamarinana indray no mitondra faisana, satria, tsy maintsy alatsaka foana. Ireo vaventy kosa mahazo tombon-dahiny, satria, voatazona, tsy mihintsana. Antitranterin'i ARNi mihitsy fa litera vitsy monja no mahatonga izany fitrangan- javatra mampahonena izany: Teny kely monja Litera vitsy: enina! Kanefa manan-danja Milaza sy miampanga Ny zavatra mitranga Mandavan’ny fisiana (…) Manampy izay, toa fandetehana ny madinika ny sivana. Famelezana sy fanitsohana azy amin'ny sazy, fa fanafahana ny ngeza tsy ho voagadra fa afaka mialangalana fotsiny ary toa maneso sy mandatsa ny madinika voa. (...) Ny fasika toy izany Indreo ireo vaventy Finaritra mijery ireo malemy latsaka mivangongo amin’ny tany ambonin’izato sivana96 . Tsapa eto fa misy ny fiangarana teo amin'ny fitondrana. Ny madinika, voa foana ny vaventy, voatsimbina sady omena tombon-dahiny. Azy ny rariny fa ny madinika voahitsakitsaka. Misarika ny saina avy hatrany izany hamakafaka ireo zava-mianjady amin'ny vahoaka madinika.

96 VA 29 « sivana » TOKO II: NY ZAVA-MIANJADY AMIN'NY MADINIKA

Mianjady amin'ny vahoaka madinika ny tsindry ataon'ireo lazaina fa ngeza. Anondroana ny vahoaka entina iry aloha: ilazana ireo mpanana, ireo mpitsentsitra, ireo lehibe, ireo mpitondra sy ny manodidina azy ity farany. Nipoitra avy amin'ny madinika ny ngeza. Ny fisian'ny ngeza kosa no niteraka ny madinika. Mampiseho ireo fihetsika sy ireo asa ataon'ireo ngeza na ny mpitondra i ARNi. Hotomorina izany, kanefa, heverinay fa tsara aloha raha faritana io teny hoe "ngeza"io.

1. Famaritana Ilana famaritana ny asa atao rehetra mba tsy hivaona ho any an-kafa ny hevitra sy ny fifantohana ary ny fihetseham-po sy ny saina. • Maro ny teny mitovy hevitra amin'ny hoe "ngeza" ara-bakiteny: lehibe, Makadiry, vaventy, goay, goavana, botrefona... Ao amin'ny Rakibolana Malagasy ny hoe "ngeza" dia: “sady lehibe no lava, lehibe dia lehibe”97. • Miova ny hevitry ny teny iray araka ny sehatra ampisaina azy. I IP ANDRIAMANGATIANA dia milaza ny lehibe ho ngetroka ka manao izay hampianjera ny mpiasany. Hoy izy: “Ny ngetroka tsy hanavotra an’ialahy maimaim-poana, fa ao raha! Misy fandrika io”98. Eto ny lehibe dia ireo olona mitady tombontsoa ka mampiasa ny madinika ho fitaovana. Raha misy ny fahavoazana na tsy fetezan-javatra, ny lehibe afa-maina, fa ny madinika no iharan'ny sazy. Ao amin'Ilay Vohitry ny nofy, i E.D ANDRIAMALALA dia mamaritra ireo ngeza ho “mpitsentsitra, mpanambaka, komohina ary trema lahy”99. I K. MARX sy i F. ANGELS indray dia mamaritra ireo ngeza ho “ireo sokajin’olona kapitalista mivoatra, tompon’ny fitaovam-pamokarana ary mampiasa olona amin’ny karama varimasaka100 . Raha arovana ireo famaritana ireo, azo tsoahina avy amin’izany, fa ny atao hoe ngeza dia ireo sarangan'olona tompon'ny fitaovam-pamokarana, ka mampiasa ireo vahoaka madinika amin'ny karama kely, zara raha mahavelona, mba hahazoany

97 (R.R) RAOLISON, op.cit, tak 768 98 (IP) ANDRIAMANGATIANA, op.cit, tak 60-61 99 (ED) ANDRIAMALALA, Ilay Vohitry ny nofy, op.cit, tak 46-47 100 K. MARX et F. ENGELS : op.cit, « on entend par bourgeoisie la classe des capitalistes modernes, propriétaires des moyens de production sociale et qui emploient le travail salarié »

61 tombontsoa be mihoa-pampana. Raha araka ny hevitray kosa, ny atao hoe ngeza na lehibe dia ireo sokajin'olona nomena fahefana hitondra, kanefa manararaotra izany fahefana izany hambotriana sy hitsentsefana ny vahoaka madinika. Ao anatin'izany ny ambaratongam-pahefana rehetra sy ny manodidina azy ka manao izay hihinanana ny valalabemandry. Ho an'i ARNi kosa, ny atao hoe lehibe na ngeza dia ireo mpitondra tsy an- kanavaka izay manao kely tsy mba mamindro, manao tsindrio fa lavo, ireo mpitsentsitra ny madinika, ireo mpanao amboletra. Hita izany ao amin'ilay asasorany mitondra ny lohateny hoe: “mamofompofom-paty”101. Averimberin'ny mpanoratra ao ny hoe "mena midorehitra". Iaraha-mahalala fa loko io, ary loko nanjaka teto tamin'ny andron'ny Repoblika faharoa. Ny mpitondra teto sy ireo manodidina azy tamin'izany, isan'ambaratongam-pahefana, no lazain'i ARNi eto fa ngeza, lehibe. Raha vao nahazo ny fitondrana ny filoha Didier RATSIRAKA tamin'ny taona 1975, ny laharam-pahamehana taminy dia ny hahaleotena tanteraka ka tsy hiankin-doha amin'ny hafa: miantehitra amin'ny herin’ny tena fa fanampiny fotsiny ny fanomezana avy any ivelany. Tsara ny hevitra, saingy nisy ny fahasahiranana ny taona 1982. Voatery nisambotra tany amin'ireo firenena sy banky avy any ivelany i Madagasikara. Izany hoe tsy nahatana ny teny nataony ny mpitondra ka niverina ilalana. Ahatsiarovana ilay tononkalon-dRADO rnitondra ny lohateny hoe: "Alika". Kanjo, rehefa ela, reraka ka nody Tsy nahitana teny, ka io nisodisody Nilelaka indray ilay hanina naloany Izay efa nolazainy ho ratsy sy tsy tohany Dia hoy indray isika izany no asa — Alika”102 (…) Noho izany dia ny fanoneran-trosa indray no lasa vaindohan-draharaha. Ny vahoaka kosa nihanahantra ihany. Ny teo amin’ny fltondrana sy ireo mpiray latabatra aminy kosa nangoron-karena izaitsizy. Vokany: nitombo ny fahantrana ary nihamafy kokoa; ireo vitsy an'isa kosa nanangona ary nahazo be dia be. Hoy ny mpikambana ao amin'ny OTRIKAFO manantitra izany: “Nitombo kosa ny fangoronan-karena nataon’ny ambaratonga rehetra teo amin’ny fitondrana, [ ] Ny vahoaka Malagasy koa

101 VA 088 « mamofompofom-paty » 102 RADO : ZO, société malgache d’édition, tak 132 nitombo fahantrana sy fahoriana hatrany”103 . Noho ireo tombontsoa maro azo eo amin’ny fitondrana ary dia tsy te hiala teo ny mpitondra, na hita aza fa tsy mahomby ny atao. Mba hahazoany mifikitra eo amin'ny toerana dia mampiasa fomba sy tetika maro izy. Tsy maintsy aorina tsara ny fitondrana.

2. Ny fampiorenana ny fitondrana Na iza na iza mpitondra, ny asa ataony voalohany dia ny fampiorenana ny fitondrany tsy hiozongozona, hilamina. Izany no antony, ohatra, namoronan'ny olona ny angano hoenti-manamafy orina ny fitondrany. Ohatra ny angano “tokin’ny aina ny marina atao”104, ao amin'ny Anganon'ny Ntaolo, izay maneho fa tsy matimaty foana ary matoky ny olona manao ny marina. Andrianampoinimerina koa, ohatra, dia niteny tamin'ny vahoaka hoe: "Ny kely manana ny azy, ny be manana ny azy105. Nataony izany mba hiarovana ny fananan’ny tsirairay, ary hiorenan'ny fitondrana tsara koa. I ARNi kosa eto dia mahita ireo tetika sy fomba samihafa nampiasain'ny mpitondra. Noheverin'izy ireo fa izany no hampaharitra ny fitondrany sy iorenan'ny Fanjakana tsara. Anisan'izany ny fanamparam-pahefana.

2.1. Ny fanamparam-pahefana Miseho amin'ny endrika maro ny fanamparam-pahefana. Matetika dia ny mpitondra sy ny mpiray tsikombakomba aminy no manao azy io. Rehefa tsy ampy ny eo am-pelatanana, kanefa te hiseho ho ngeza dia voatery manao amboletra fotsiny: - Manitsakitsaka ny maha olona, - Tsy mitandro ny zo aman-kasina. Ny fanambarana iraisam-pirenena ny zon'olombelona dia milaza, ao amin'ny andininy voalohany fa ”nateraka ho afaka sy hitovy ny olombelona rehetra na eo amin’ny ZO na eo amin’ny hasina. Samy manan-tsaina sy fieritreretana ka tokony hifampitondra ara-pirahalahiana”106. Milaza izany koa i ARNi. Kanefa asehony fa misy ireo manan-jo tsy mitovy aman'olona fa mihoatra, satria mampiasa zo hafa ambonin’ny lalàna ny ngeza ka manao tsindrio fa lavo, manao amboletra, mitsentsitra mba hampitombo ny elanelana:

103 OTRIKAFO : fanehoam-pijery, op.cit, tak 16 104 (L) DAHLE : Anganon’ny Ntaolo, tranom-pirinty Loterana, Antananarivo, 1984, tak 170 105 R.P CALLET : Ny tantara ny Andriana I, Imprimerie nationale, Antananarivo, 1981, tak 433 106 Fanambarana iraisam-pirenena ny zon’olombelona, tak

63 (…) Zony ny misetrasetra sy manao amboletra ny fananan’ireo osa be adidy miavosa (...) Zony ny manao tsindrio fa lavo Amin’ireo izay mavomavo Ka mitsentsitra ireny Hampitombo ny hareny107 Hanabe ny elanelana Tsy afaka mampiasa ny zony ny madinika eto, izay tsy iza fa ny olona rehetra, ny valalabemandry, na kely na lehibe. Na dia manan-jo hiaro ny fananany sy ny maha- olona azy eo anivon'ny mpiarabelona. Manan-jo tokoa, mantsy, ny tsirairay. Hoy i ARNi. Aina velona ao anaty Ilay hery tsy mba maty Ananan’ny olona rehetra Ny zaza bodo sy ny etsetra. (...) Fanitsakitsahana tanteraka ny zon'olombelona no hita eto. Hoenti-maneho, angamba, izany fa izy ireo ny tompon'ny fahefana. Tsy izay fotsiny, fa tompon'ny lalàna ihany koa. Ambanin'ny lalàna avokoa ny olona rehetra. Tsy manavaka sarangan:olona izy. Izay mandika azy no tokony iharany. Olombelona no manao ny lalàna. Manana ny tombontsoany izy ka tsy maintsy mitsinjo izany. Noho izany, tsy natao hahakasika azy loatra ny lalàna volavolainy sy ekeny, fa natao fefy tsy ahafahan'ny madinika mitroatra. "Fefy iva" no ilazan'i ARNi azy ka ny lehibe afa-mitsambikina aminy, fa ny kely hery toy ny madinika tsy afa- mihoatra. Toa ahatsiarovana ny tenin'ANDRIAMALALA hoe:

“Lalàna natao ho anareo ambany io, fa tsy anay olona ambony”108. Natao hiaro ny rehetra ny lalàna. Tsy izany no mitranga eto, fa raha mihoa-pefy

107 VA 05 « ZO » 108 ED ANDRIAMALALA : Ny fanagasiana, op.cit, tak 52 ny madinika dia voasazy. Ny ngeza afa-mihoatra ny fefy iva. Manome tsiny ny lalàna i ARNi ka loa-bolana hoe: (...) Avelao aho mba haniny ireo lalàna izay najoro ho zary manda fiarovana anay madinika tsy hitroatra nefa kosa fefy iva ho an’ny ngeza ka dikainy109 . Tsy vitan'ny hoe hamelezana ny madinika ny lalàna fa nohamaroina ihany koa. Amin'izany tsy afa-mikofoka intsony ireo madinika. Raha vao mihetsika eo, mantsy, tonga dia ampiharana lalàna sao hampihozongozona ny fitondrana. Noho izany, natao betsaka izy ireny mba tsy hisy hirika hahazoan'ireo mpitolona mikofoka. Manontany tena mihitsy i ARNi eto: (...) Moa mpamoha riana ve izay mitolona Ny tsy hisian’ny gaboraraka fambotriam-pokonolona Ka ny didy sy lalàna no hamaroina Hamatorana ny tary hamonoana Ireo mpitolona mitrifana110. (…) Tsapa tokoa ny fisian'ny toe-javatra toy izany eo amin'ny fiainam-pirenena. Ireo ngeza: afa-maina, ny madinika: gadraina satria kely tsy afa-mihoatra, ny fitondrana koa mikendry tombontsoan’olona. Ankoatra ny lalàna sy ny didy, dia misy koa ny fibodoana ny rariny sy ny hitsiny. Ny hoe "fibodoana" dia avy amin'ny fototeny hoe bodo, ahazoana ny matoanteny hoe mibodo. Ny mibodo dia maka an-keriny ary mitazona izany. Ny heviny dia hoe: mikiry, manao di-doha fotsiny izao. Ny fibodoana ny rariny sy ny hitsiny izany dia midika ta an'ny mpitondra ireo. Tsy misy ny rariny ho an'ny madinika. Izay ataon'ny mpitondra sy ny ngeza dia rariny sy ny hitsiny avokoa. Fomban'izy ireo ny mampandry ny saim-bahoaka amin'ny rariny sy hitsiny izay

109 VA 055, op.cit 110 VA 059 « Haza »

65 tsy mihatra akory amin'ny vahoaka valalabemandry. Raha ''capitaine de frégate" no nisondrotra ho "Amiraly" dia rariny, hoy i ARNi, fa raha mitaraina kosa ny vahoaka, tsy mba henoina satria tsy manan-drariny. Hoy i ARNi manantitra izany: (…) Hatraiza ny fetran’ity hoe rariny Sy ny hitsiny izay dradradradraina Fa toa ny galonany foana no akariny Ka tsy mba henoina ireo feo mitaraina?111 (…) Rariny amin'ny mpitondra ny fampiakaram-boninahitra, fa tsy rariny aminy kosa ny famaliana sy fihainoana ny hetahetam-bahoaka. Tsy rariny ny manao izay hialan'ny vahoaka amin'ny fahantrana izay efa mianjady aminy ary efa mahery vaika. Izany hoe tsy manao ny andraikiny eo amin'ny vahoaka ny mpitondra. Ingahy MAO-TSE- TOUNG dia nilaza fa: "ny adidintsika dia ny ho tomponandraikitra eo amin’ny vahoaka, ka ny tenintsika sy ny asantsika ary ny politikantsika dia lokony hamaly ny filan’ny vahoaka (...). Izany no atao hoe tomponandraikitra ao amin’ny vahoaka”112. Araka izany, tsy tontosa ny adidy amana andraikitra maha-mpitondra ny mpitondra. Ankoatra izany, mba hahazoana antoka tsara ny fiorenan'ny fïtondrana dia misy koa ny fampiasan-kery.

2.2. Ny fampiasan-kery Tsy vitan'ny hoe sazy na gadra fotsiny ny fampiasan-kery, fa dia fomba entin'ny fitondrana handaminana na hanehoan-kery, na anehoany ny fahefana. Iray amin'ireny ny fanaovana tsindrio fa lavo. Teny fandre matetika ny hoe tsindrio fa lavo. Natao hamotehana tanteraka ny mpifanandrina aminy. Amin’izay, afaka manjaka tokana sy manao izay sitrany ny mpitondra. Eo anatrehan'izany, tsy misy intsony ny fanajana ny fitsipi-boninahitra. Ny osa ihany no tsindrina tsy avela hipoitra mihitsy. Ny hampahalemy ny sain'ny olona, ka hahatonga azy ireo hatahotra no tanjon'ireo mpitondra amin'izany. Voatery miaritra ny mpitolona sy ny vahoaka

111 VA 012 « hatraiza ? » 112 MAO-TSE-TOUNG : le petit livre rouge, citation du président Mao Tse Toung, Ed, seuil, p 105 : « notre devoir, c’est d’être responsable envers le peuple. Chacune de nos paroles, chacun de nos actes et de nos mesures politiques doivent répondre aux intérêts du peuple (…) c’est ce qu’on appelle être responsable envers le peuple » madinika, noho izany, na dia mafy ny manjo azy: fitsentsefana, tsindrio fa lavo, fanapempoana, fanararaotana samihafa. I ARNi, eto, dia manontany ny fetran'ny tsindrio fa lavo. Efa ela loatra no nisiany ka tsy andriny intsony ny hahafoanany. Dodona izy ka miteny hoe: (....) Hatraiza ny fetran’ny tsindrio fa lavo No mbola miaritra ihany ny tary Ny kely eo an-tanan’ireo mavomavo Tsentsefin’ny mpanana miharihary. (...) Ny tsy ahafahan'ny vahoaka mihetsika mihitsy no tanjon’ireo olom-bitsy eo amin'ny fitondrana. Ankoatra ny tsindrio fa lavo dia mbola gejaina ihany koa ireo madinika. Avy amin'ny fototeny hoe geja ny teny ho fangejana. Mangeja ny matoanteny azo avy aminy. Ny hoe mangeja dia mamatotra mafy, mangia, mamihina, manery. Ny heviny dia hoe: tsy mamela hiporitsaka, tsy mamela ho votsotra, manao tano fa zo. Izany hoe tsy misy ahafahana mibolila intsony. Tsy misy fahafahana intsony na eo amin'ny fihetsika na eo amin'ny fanehoan- kevitra, araka izany. Tsy misy ny fahalalahana. Mifanohitra tanteraka amin'ny fanambarana iraisam-pirenena momba ny zon'olombelona izany. Amin'ny andininy faha 19 no anambarany fa: ”ny olona rehetra dia afaka samy manana ny heviny ka hilaza izany an-kalalahana. Tsy tokony hampitahorina amin'izay fomba fijeriny ary afaka mandray, mampiely izay vaovao na hevitra hitany amin’ny alalan’ny fitaovam- pifandraisana misy, tsy hijerena sisin-tany113. Nampihetsi-po ny mpanoratra izany fangejana izany. Satria efa zava-doza raha ny vahoaka tompon-tany no mandady eo amin'ny taniny. Tsy misy fahaleovantena fa toy ny tamin'ny andron'ny fanjanahantany. Izany hoe mbola fanjanahantany amin'ny endriny hafa satria ny Malagasy toa azy ihany no zanahiny. Miteny mihitsy eto i ARNi fa afaka izay olona manafaka ny vahoaka mandady amin'ny taniny: (...) Afaka izay afaka manafaka vahoaka mandady amin’ny taniny

113 Fanambarana iraisam-pirenena ny zon’olombelona

67 mandano an-konahona tafïditra amin’ny kizon’ ny fangejan’ny vitsy. (...)114 Araka izany, mampitondra ny mafaitra teo amin’ny vahoaka ireo mpitondra vitsy an'isa sy ny namany. Manampy trotraka izany ny fandrobana sy ny fanimban- javatra. Endrika iray isehoan'ny fampiorenam-pitondrana tsy ho refesi-mandidy izany. Ny hoe mandroba dia maka an-keriny. Ny hevitra fonosiny dia maka tsy miera arahin-kerisetra ny fananan'olona. Rehefa te haneho hery tokoa dia manao fihetsika toy izany. Mampiseho ny tanjaka sy ny fahefana ananana. Toherin'ny fanambarana iraisam-pirenena momba ny zon'olombelona izany eo amin'ny andininy faha 17: ”Ny olon-drehetra dia manan-jo hanana fananana manokana na itambarana. Ary tsy misy olona azo alaina amin-kery ny fananany”115. Tsy voahaja izany eto satria na ny taniny, ny fananany dia alaina amin- kery. Efa fiheverana ny vahoaka madinika ho toy ny tsy olombelona intsony izany. Efa fiheverana ihany koa fa an'ny mpitondra irery ny tany sy ny Fanjakana. Manandram-peo mangataka amin'Andriamanitra i ARNi eto, hanafay ireo mpandroba ireo. (...) Tompo ô! Lemeo ny tanan’ireo zatra maka ny tsy azy, mamihina ny an-kafa ka zary herisetra no asetriny ireo mba miaro ilay kely hany mba ananany nandania-mondron-kery, nanaovana vy very ho antoky ny ampitson’ireto sombinaina kanefa e nalaina ...116 (…) Misy ihany koa ny fandrobana ny tany izay ampiasain'ireo vahoaka madinika. Lazaina fa tsy azy fa an'ny Fanjakana. Manao ny fomban’ny mpanjanantany izay mamaritra dia maka ary niavian'ilay fitenenana hoe: "tanim-boanjo", ireo mpitondra. Fanararaotana tanteraka izany. Efa tsy amin'ny tokony ho izy intsony, efa mihoatra ny antonony. I RAINITIARAY, anefa, dia manantitrantitra fa ”tandremo kosa ny fahefana sao dia mihoatra ny antonony loatra”117 .

114 VA 075 « Afaka » 115 Op.cit 116 VA 078 « Haika » 117 RAINITIARAY : « Ny lehilahy », in mpanolo-tsaina, 1904, tak 47 Raha izany no izy, dia toa ho nofy ny hisian'ny fahafahana ka hoy i ARNi: (...) Nofin’ny tantsaha No hiaina ankalalahana Hamokatra amin’ny taniny Izay lazaina fa tsy azy Ka norobaina taminy Satria madinika izy. (...)118 Fampiasan-kery daholo mba tsy hahafahan'ny vahoaka madinika hanao na inona na inona ireny. Tena latsaka an-katerena tanteraka izy ireo: miaina amin'ny tontolo feno teritery sy geja ary fanitsakitsahana ny zon'olombelona. Ny fangalana an-keriny ny tany novolen'ireny madinika ireny no mahatonga ny vahoaka tsy hiraharaha intsony ny atao hoe tanindrazana. Toy ny mpindrana no fiheverany ny tenany fa tsy tompony. Aleony mikarakara ilay tany kely navelan'ny razany toy izay hanabe voho tany hafa, kanefa, halaina aminy an-kery rehefa avy eo. Manantitra izany i FETY Michel manao hoe: “Ary dia izany no mahatonga ny vahoaka ho tsy miraharaha izay tanindrazany izany intsony, afa-tsy ilay zoron-tany kely iasan’izy mianakavy fotsiny”119 . Tsy mionona fotsiny amin'ny fandrobana ny fananam-bahoaka sy ny tany voleny ireo mpitondra fa mihaza ireo mpitolona, mikatsaka ireo mitady hitroatra ka handrava ny fitondrana.

2.3. Fihazana sy fanilihana ireo sokajin’olona sasany Mbola fiadiana iray ho an'ny mpitondra sasantsasany ny manilika ireo sokajin’olona tsy mitovy firehan-kevitra na fisainana aminy. Atahorany sao mamoaka ny tsiambaratelony, ahiahiny sao mamadika azy. Ny tanjona kendreny amin’izany dia ny tsy hahantohina ny fitadiavana tombontsoa. Anisany lasibatra amin'izany ny tanora. Ambara matetika fa ny tanora no hoavin’ny firenena satria manana ny hery sy ny saina mahiratra. Lazaina ihany koa fa manana fomba fijery vaovao. Mifanohitra amin'izany kosa ny fiheveran’ny sasany. Tsy mato-tsaina izy ireny, tsy mahatam-bava, mora rebirebena, tsy mbola ampy traikefa. Vokatr'izay dia esorina ao anaty fikambanana fa ireo efa "ela nihetezana" ihany no raisina.

118 VA 031 « Nofy » 119 FETY Michel : op.cit, tak 57

69 Manilika ireo rehetra fantatra fa tsy mpiray tetika ary tsy ao anatin'ny antokony ny fitondrana nisy tamin'izany mba hahafahany manao hevitra amin-kalalahana hanangona ny haren’ny tany sy izarana ny tombontsoa. Koa dia ailika ireo tanora sao hanimba ny fandehan-javatra. Manambara izany koa i ARNi ao amin'ny asasorany: (...) Tanora, hono, ialahy Eny, mena vava Ka ailika avy hatrany Amin’ny tetika ifanaovana Fa somary basivava Mampibaribary ny ratsy izay afenina. (…)120 Azo tsoahina avy amin'izany ny fiheveran'ireo mpïtondra momba ny tanora: ailika, bantina, ambanina ny heviny. Izany hoe tsy tokony ho ao anatin'ny fianakaviam- ben'ny mpitondra izy. Anisan'ny tetika hitandrovana ny tombontsoa manokana ihany koa io. Ary tsy mijanona hatreo fa hazaina koa ireo mpitolona sy mpanohitra. Tsy mahatafandry mandry ireo ngeza ny fisian’ireo antokon'olona rnitolona amin'ny tsy fandehanan-draharaham-pirenena ara-dalàna. Noho izany, ataony izay hampangina azy. Karohina ireo lazaina fa mpitolona, hazaina mihitsy fa manimba ny tetika sy ny fihinanana. I ARNi dia mampibaribarv fa hazaina toy ny lambo mihitsy ny mpitolona sao manimba ny tombontsoa. Ny mpitondra koa tsy te ho tsikeraina sy tsy te ho voahelingelina amin'ny zavatra ataony. Noho izany, atao izay hahazoana ireo mpitolona izay heverina ho toy ny kary sy amboa ka atahorana sao mangalatra ny eo am- pelatanana. Izany hoe: mpitondra tsy te hoelingelenina. Hoy ny mpanoratra manambara izany:

Moa lambo ve ny tany ka hazaina Fa mpanimba voly fototr’aina Sa kary sy amboa tsy manjary Tsy ahitana vody akoho ka mankarary Izany saina te hitavana.

120 VA 034, op.cit (...)121 Miaina ao anatin'ny fangejana sy horohoro ny vahoaka. Ny lehibe natao ho ray aman-dreny nanilika sy nifofo ny ainy. Ny manorisory, anefa, dia ity: rehefa tonga ny fotoana ilàna ny vahoaka dia toa hainy ery ny manafina ireny habibiana ireny. Hainy ny mambabo ny fon'ny vahoaka.

3. Fambaboana ny fon'ny vahoaka Avy amin'ny fototeny hoe babo ny teny hoe "fambaboana". Ny atao hoe babo dia olona resy tamin'ny ady ka entin'ny mpandresy manaraka azy miaraka amin’ny fananany. Ahazoana ny matoanteny hoe "mambabo" koa ny hoe babo. Ara-kevitrra, ny fambaboana dia midika hoe: fanaovana izay hampiaiky, fanaovana izay haharesy lahatra tanteraka ny olona iray amin'ny alalan'ny teny na fihetsika atao hanarahany mora foana izay lazaina aminy. Ao amin'ny asasorany, i ARNi dia milaza ireo fihetsika ataon'ny mpitondra hambaboany ireo vahoaka. Endrika maro no anehoany izany.

3.1. Fanakonana ny atao avy ety ivelany Mba ahazoana mampandry ny sain'ny mpijery ety ivelany no anaovana ny fanakonana: zavatra na fitaovana atao ety ivelany mba tsy ahitana ny ao anaty. Atao izany hanafenana ny tsy mety. Anisan'izany ny soratra mibaribary. Fitaovam-pifandraisana ny soratra. Manamora ny fampitan-kafatra izy. Ampiasaina amin'ny fiainana andavanandro ho fampahalalam-baovao. Misy koa anefa ny mampiasa izany hanafenana ny fanaovana « afera » : fefy ho an'ny tsy mahalala fa vavahady misokatra ho an'ny mpanao ratsy. Mibaribary avy ety ivelany ny famantarana ka heverina ho madio ny ao anatiny. Eto dia manana endrika masiaka ireo olona natao hiandraikitra raharaha ary toa sarotiny amin'ny fitsabatsabahan'olon-kafa (ny madinika). Rehefa ny ngeza, anefa, no miditra ka manome vola (tsolotra) dia mangina ireo tompona andraikitra ireo. Noho izany, afaka manaram- po ny mpanao raharaha maizina. Mampibaribary izany i ARNi amin'ity tononkalo ity: “ALIKA MASIAKA” no takela-mirenty am-bavahadin’ny mpanana

121VA 059, op.cit

71 (...) saingy tsy marina F'indro izy sina Tena mangina (toa sifotra) tinapa-doha tsy mivovo Voatsipy taolana! Tsapa eto fa misy foana ny atao hoe « mahitahita » ka tafavoaka amin’ny ataony, raha tsy afa-manao na inona na inona ny vahoaka madinika. Misy ny olona efa natao hiandraikitra ny tsy hisian'ny risoriso na tsolotra, kanefa dia sady mangina izy no sina rehefa voatsipy vola : manao izay tian'ireo ngeza hataony. Ato amin'ity asasoratra manaraka ity koa, dia miharihary ny fampahalalana ety ivelany fa tsy mandray kolikoly. Ny ao anatiny misy tsy fahamendrehana. « TSY MANDRAY KOLIKOLY » No soratra fahita mameno birao (...) Kanefa mitady Ravi-mikasoka Anaty afokasoka Hoenti-midoka -jamban’ny vola!122 Miharihary ny zava-misy iainantsika: fandrahonana, fampitahorana, fandrarana ety ivelany. Atao hitam-poko, ho hitam-pirenena izany. Ny ambadik'izay kosa, anefa, lapa fonenan'ny mpanao risoriso. Vokany: matoky ny sarababem-bahoaka mijery eny lavitra, fa ny mpanao risoriso kosa manaram-po ao anatiny satria takona noho ny fambara efa eo ivelany. Ankoatra izany, fomba fanakonana ny ratsy atao koa ny mody bonaika. Ny teny hoe "bonaika" dia midika ho: morabe, malemy paika, tsy mihetsika mahery. Entin’ny olona hanasaronana ny ratsy ataony indraindray io fihetsika io. Amin'izay dia matoky azy ny olona rehetra ka mora ambakaina, mora milefitra, mora manome rariny azy. Vokatr'izany, mora babo ny vahoaka. Mampiseho i ARNi amin’ity asasoratra iray ity fa mitory teny amin'ny vahoaka

122 VA 095 « Alika masiaka » toy ny zanak'ondry malemy paika rnihitsy ny mpambambo ka tsy manana ahiahy ny vahoaka. Kanefa izy dia toy ny saka manafin-koho. Mahay mandresy lahatra sy manambitamby. Ny kendreny amin'izany dia ny hahazo ny fom-bahoaka mba hahafahany manajamba ireo madinika tsy ampy fisainana loatra ka entiny amin'izay hitondrany azy, hanaiky izay lazainy. Tombontsoa anefa no kendreny ao ambadika. Mby ao an-tsaina ilay tenin'i E.D. ANDRIAMALALA hoe: “Fandrebireben’ny fetsifetsy ny bado noho izy no fahafantarako ity firavahanareo ity…”123. Hoy i ARNi ao amin'ny asasorany: (...) Mainka moa fa ireo bado Vonto anatry ny mpino (...) Dia eo ity sainy fa sondriana Tsv mahita ny ambadika Ataon’ireo mpanafin-koho sy miseho ho zanak’ondry. Manantihanty anao ny lanitra ho paradisa soa fibanjina hahajamba anao hatrany sy ho matihena eto an-tany124 . (…) Hita amin’izany ny fanaronana endrika ataon'ireo olona sasany. Hafa ny tenenina, hafa ny tanjona kendrena. Fanararaotana ny mahabado ny madinika izany. Tsy vitan'ny fanaronan-tava sy fitafiana toetra hafa, anefa, ny fambaboana ataon’ireo mpitondra fa mbola mampiasa ny teny sy fihetsika koa izy ireo.

3.2. Fambaboana amin’ny alalan’ny teny sy fihetsika Mba hahafahana maka ny fon'ny vahoaka dia ilaina ny fahaiza-miresaka sy mandresy lahatra. Maro ny fomba anehoan'ny mpitondra izany araka ny fahitana azy ao amin'ny asasoratr'i ARNi. Iray amin'ireny ny toky samihafa. Ny toky dia fampanantenana. Saika manao izany daholo rehefa mpitondra. Tsy voatery ho tanteraka avokoa, anefa, izay lazainy. Noho izany, mba hampilamina ny

123 (ED) ANDRIAMALALA : Fofombadiko, librairie mixte, 1999, tak 138 124 VA 079 « Andriamanitra fitiavana »

73 vahoaka, ka hahatonga azy ireo tsy hikotaba, dia tsy maintsy mampanantena zavatra maro ny mpitondra. Mamy, mantsy, ilay toerana ka atao daholo ny tetika rehetra ahazoana mijanona ela eo. Manantitra izany RAVELOJAONA manao hoe: ”Eny, Fomban’ireo mitana ny fahefana ny mampino ny vahoaka, noho ny hafetseny sy ny faniriany eo amin’io toerana io mandrakizay, fa raha lasa izy ka soloan'ny hafa dia ho levona ny tanindrazana, saingy tetika fandrendreham-bahoaka toy ny ronono an-tavy rehetra ihany ireny”125. Tsy misy hafa amin'ny fampielezan-kevitra io tetika iray io mba hifidianan'ny olona azy. Ampanantenaina dia manaraka ny heviny, omeny toky dia manaiky. Ireny dia sioka mampandry adrisa fotsiny ary "toky fitaka" ihany. Asehon'i ARNi izany fanomezan-toky tsy tanteraka izany ka hoy izy: (...) Ho longoà mitoto-bozaka Ho toky zary filaka ho teny zary rivotra hitoetra hatrany ho hataka tononina fa hoe teny lazaina koa fa toky am-bavan’ny boloky ventesin-tsy iainana tsy misy fampiharana126. Maro amin'ny toky izay nomena no tsy misy tanteraka. Teny fa teny natao hahazoana ny fo no ataon'ireo mpitondra Fanjakana sy ny mpiray petsapetsa aminy. Tsy mijanona amin'ny "toky fitaka" fotsiny izany, fa baboina amin'ny alalan'ny toriteny koa ny madinika. Vahoaka matahotra an'Andriamanitra ny Malagasy. Tsapan'ny mpitondra sy ny namany izany. Amin'ny alalan'ny fitoriana ny tenin'Andriamanitra na ny fanononana ny anarany no ahazoan'izy ireo ny fom-bahoaka. Rehefa babo dia arendriny amin'izay. Voalazan'i ARNi fa amin'ny anaran'Andriamanitra mihitsy no entin'ireo sokajin'olona ireo mambabo vahoaka. Hain'ireo sokajin'olona eo amin'ny fitondrana ny foto-pisainan'ny Malagasy ka izany no anononany ny anaran'Andriamaniira moramora ary arendriny tanteraka. Toa tezitra mihitsy ny mpanoratra milaza hoe: (...) Tompo ô! Tapaho ny lelan’ireo kinga

125 RAVELOJAONA : Tanindrazana sy firenena ary isika Malagasy, tak 7 126 VA 070 « hitoetra » Mandrendrika vahoaka, mpanao kabarim-poana Mitonon-tena ho marina amin’ny fiantsoana Anao Kanefa an-tavy ange ny ronono atobany Ho an’ireo saramba an’alinkisa nanankina taminy Ny andraikitry ny taniny127 . (...) Tsapa araka izany fa miasa amin'ny fomba rehetra ireo mpitondra sy ny mpiara- miasa aminy hahazo ny fon’ny vahoaka. Tsy ny hahasoa ny vahoaka no tanjony fa ny hahafahany manao ny tsy marina. Fomba sy fihetsika iray hafa ampiasain'izy ireo koa ny manome vahaolana antemaka. Tsy maintsy vahana ny olana. Misy ny vahaolana mateza, misy ny vahaolana vonjy maika. Ny mpitondra dia mamaha ny olana misy ao amin'ny fireneny mba hatoky azy ny vahoaka entiny. Matetika dia vahaolana vonjy tavanandro ireny. Indraindray, mantsy, herisetra no entina mamaha olona mba hampilamina ny tany. Manataingana ny filamin'izay mitady hitroatra ny herisetra. Fanehoana izany fa miasa ny fitondrana ary miahy ny filaminana. Tsy ny fanaovana hevitra bontolo akory no mahomby sy mihaja fa fifanakalozan-kevitra ka hita amin’izany ny marimaritra iraisana. Ambaran'i ARNi fa vahaolana sadasada ny fampiasana herisetra ka mahatonga ny olona hanome tsiny: (...) Moa ny fihevitra bontolo Fampiharan-kerisetra Amin’ireo izay mahatsapa Sy maniny anao mpitondra Dia hitera-pilaminana? Vahaolan-tsadasada Miteraka afobe mandoro Anao mihevitra ho mahery128. (…) Misy ny vahaolana. Vahaolana tsy mateza. Natao hampandry fotsiny ny sain'ny vahoaka, natao hahafantaran'ny rehetra fa mitandro ny filaminana ny mpitondra. Mbola

127 VA 078, op.cit 128 VA 073 « Fikitra »

75 fambaboana ihany koa izany. Kanefa, an-kerisetra ka hifotitra any amin'izy ireo ihany satria tsy nisy ny marimaritra iraisana. Matoa ny ngeza sy ny mpitondra manampatra fahefana sy mambabo ny vahoaka amin'ny fomba rehetra dia mikendry tombontsoa. Tsy hitanisa ireny fotsiny no nataon'i ARNi fa haneho ihany koa tanjon'ireo vondron'olona ireo.

4. Ny tanjona nokendreny Maro ny tanjona nokendren'ireo mpitondra firenena ireo. Asongadintsika eto izany araka ny hita ao anaty asasoratra.

4.1. Ny fahazoan-karena Tsy misy mpitondra firenena ka mijaly fadiranovana. Toy izany koa ireo mpiray petsapetsa aminy. Matetika dia ny hameno paosy no tanjona fa tsy hanavotra ny fireneny na koa hampanana ny tsy manana. Miseho amin'ny endrika maro ny fomba ahazoany harena. Ao, ohatra, ny fitsentsefana. Ny teny hoe fitsentsefana dia avy amin'ny fototeny hoe tsentsitra ahazoana ny matoanteny hoe "mitsentsitra", ary ny anarana hoe: katsentsitra. Ny hoe mitsentsitra dia maka ny tsiron'ny zavatra iray. Toy izany koa no ataon'ireo mpanana sy ny mpiray dia aminy: mitsentsitra ny haren'ny olona sy ny fireneny. Maka ny tsaran'ny olona amin'ny fïventesana ny firahalahiana. Atao ny tenim-pihavanana ahazoana ny haren'ny olona. Te hanam-be sy te handroba ny firenena iray manontolo mihitsy ny mpitondra sy ireo mpila ranondranony manodidina azy. Lazaina fa tany manan-karena ity nosy ity, kanefa, ny mponina ao aminy dia mahantra. Voasokajy ho isan'ny firenena faran'izay mahantra ary difotry ny trosa isika. Izany hoe nisy tato amin'ity firenena ity ny fangoronan-karena nataon'ireo olom-bitsy teo amin'ny fitondrana. Ny vola notrosaina tsy maintsy naverina, ary dia ny vahoaka rehetra sy ny taranaka aman-dimby no nibaby izany trosa be izany. Ny mpitondra, anefa, lasa mpanefoefo sy manan-karena daholo tamin'izany fotoana izany. Manantitrantitra mihitsy ny mpikambana ao amin'ny OTRIKAFO fa: “Nanampy trotraka koa ny fanodikondinana sy ny fandrobana ny harem-pirenena nataon’ireo mpitondra nifanesy”129 . Toa efa tsy aritr'i ARNi intsony izany toe-java-misy izany ka nitenenany hoe: (…)

129 OTRIKAFO : Fanehoam-pijery, op.cit, tak 25 Hatraiza ny fetran’ny firahalahiana Ambetin-teny rehefa kabary Ny haren’ny olona izay norafiana No tsihifina an-kolaka moa va tsy kary?130 (…) Tsy vitan'ny mitsentsitra fotsiny, hoy, ny mpanoratra fa mangorona harena mihitsy. Mihevitra ny mpitondra fa rehefa lany ho filoham-pirenena dia tompon'ny tany sy ny vahoaka ka afaka manjakazaka. Tsy izany, anefa, no tokony ho izy, fa ny mpitondra no tokony hanompo ny vahoaka, hanao izay hiarovana sy hampandroso azy. Ny tsy fahatanterahan’izany no nampiteny an'i ARNi hoe: Ny vahoaka! Tsy fitaovana hanjakana Hanararaotam-pahefana Ka jonoina taovan-kena Hangoronana harena131. (…) Ny tena mampahonena aza, tsy ny vahoaka ihany no norobaina fananana fa ny tany sy ny firenena mihitsy. Ambaran'i ARNi fa ny tany no iharan'ny fandrobana: nalaina daholo ireo zava-tsarobidy ananany toy ny lamba notafiany sy ny haingony tsy manam-paharoa. Izany hoe ireo harena maro nisy tao aminy: na ny tety amboniny na ny tao an-kibony. Mitaraina ny tany araka ny voalazan'ny mpanoratra: Akom-peo izay mitoreon’ Ity kibo nifonosana Noho ilay lamba izay tinafiny nangotana Ilay haingony lalaina Nefa kosa norobaina (…)132 Raha izany, azo lazaina fa tsy tia ny fïreneny ireo mpitondra sy ny mpiray hevitra aminy satria sady mandroba ny mponina ao aminy no mandroba ihany koa ny harem-pirenena. Anterin-dRAVELOJAONA izany ka hoy izy: « Ny olona tsy tia ny fïreneny dia

130 VA 012, op.cit 131 VA 091 « Ny vahoaka » 132 VA 018 « Ako »

77 na ho olona ambany saina loatra na tsy mety hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny fïrenena; na olona tena anjakan’ny hevi-devoly, azo rebirebena sy kolikolena amin’ny fitiavam-boninahitra sy ny volan-jodasy hamadika ny reny nahita-masoandro133. Na dia eo aza ireo voalaza ireo, tsy azo odin-tsy hita koa ny fanaovana risoriso. Tsy dia teny vaovao akory ny teny hoe: "risoriso". Tsy misy tsy mahalala ny heviny na vaventy mpitondra na ny madinika mpitrongy vao homana. Ny risoriso dia fanaovana varotra tsy an-karihary ary ny vidiny dia atao ambony tsy laitra. Rehefa lany ny entana eny an-tsena dia mamoaka ny azy ny mpanao risoriso ary amidiny lafo izany. Lazain'i ARNi fa nisy teto io toe-javatra io ary mbola misy mandraka ankehitriny. Tsy hevitry ny Malagasy amin'ny maha Malagasy azy io fa nisy nitondra azy teto hitsentsefana ny valalabemandry. Ny risoriso dia varo-maizina, natao hampitombo harena tampoka. Ny olona jamban'ny vola sy tia kely no mpanao izany: fitiavan-tena no ao am-badiny. Mahay miafina sy misaron-tava ny mpanao risoriso. Ny mpanoratra eto dia manambara fa avy an-dranomasina any no fiavian'ny risoriso. Izany hoe mety ho ny fitondrana teto tamin'ny vanim-potoan'izany. Toy izao ny filazan'i ARNi izany: Moa ve mba fantatrao fa any an-dranomasina any No mba firiariavanao No Tonga ianao toa zavon-tany Mampitondra anay tomany (...) Tonga ianao nanavatsava sy nivimbin-drisoriso Ka nahay nanaron-tava tsy ho kary na ho piso...134 (…) Mbola antitraterin'i ARNi ihany izany amin'ity asasorany manaraka ity: lazainy fa rivo-doza ilay mpitondra ny risoriso ka nanjaka teo daholo ny olona fetsifetsy rehetra izay te hanan-karena sy tsy nitsinjo ny mpiray firenena taminy: (...) Teo ny rivo-doza nitondra risoriso Nanjaka teo rakary, velona rapiso Mandroso ny afera, mitombo ny harena135.

133 RAVELOJAONA : Tanindrazana sy firenena ary isika Malagasy, op cit, tak 7 134 VA 011 « Rivo-doza » 135 VA 011, op.cit (...) Ny azo tsoahina amin'izany dia ny hoe : nanan-karena tamin'ny risoriso sy tamin'ny varo-maizina nitsentsefana ny madinika ireo sarangan'olom-bitsy teo amin'ny fitondrana. Tsy afa-po tamin’izany, anefa, izy ireo fa te hanana ny fahefana rehetra ihany koa.

4.2. Ny fahazoana ny fahefana rehetr a Ny fahefana raha eo amin'ny lafiny Fanjakana dia manan-kevitra hoe: fifehezana. Te hifehy ny zava-drehetra eo amin'ny fireneny ny mpitondra: isan'izany ny fifehezana ny tany. Ny vahoaka ao amin'ny firenena iray dia tompon'izany tany izany: “Manan-jo hivezivezy an-kalalahana ny olona rehetra, ka hifidy izay toerana tiany honenana ao amin’ny faritry ny Fanjakana”136 araka ny fanambarana iraisam-pirenena ny zon'olombelona. Monina ao amin'ny toerana iray izy ka manabe voho io tany io. Ny zava-misy, dia mampalahelo fa rehefa tian'ny mpitondra alaina izany dia alainy, simbany avokoa izay natsangana, aringany ny antom-piveloman'ny mponina eo. Tsy misy fifampierana na marimaritra iraisana. Toy ny mbola niaina ny fanjanahantany ny vahoaka. Sahala amin'ny fahavalo manani-bohitra mihitsy no ilazan’i ARNi azy: (...) Tamy ianao hanani-bohitra, mifofofofo ka mirohotra Mba hampivava izay najoro hopotika, eny, torotoro Tonga ianao mba handrava izay natsangaua omaly

Dia ilay fanilo mpanazava ny aizim-be izay nampijaly (…)137 Ampangain'ny mpanoratra fa sady nanimba zavatra no nambotry ny vahoaka ary nitondra risoriso ireo olom-bitsy eo amin'ny fitondrana sy ny mpiara-dia aminy. Azo ambara fa fiheveran-tena ho tompon'ny tany ny fanaovana fihetsika toy izany. Raha heverina fa an'ny mpitondra ny tany rehetra, dia azy avokoa ny vahoaka

136 Fanambarana iraisam-pirenena ny zon’olombelona andininy 13 137 VA 011, op cit

79 izay monina eo amin'io firenena io. Ilana fifehezana ny vahoaka amin'ny alalan'ny lalàna manan-kery: mitovy avokoa ny olona eo anatrehany. Tsy midika akory izany fa an'ny mpitondra ny vahoaka. Ny vahoaka no maha-mpitondra ny mpitondra. Tsy misy Fanjakana raha tsy misy vahoaka entina. Noho izany, ny mpitondra dia tokony hihevitra mandrakariva fa mety ny mitondra ny vahoaka ho toy ny ray aman-dreny. Hoy Andrianampoinimerina manantitra izany: “Hianareo (...) no raiko aman-dreniko ary havako”138. Ny zava-misy teo amin'ny fitondrana, dia ny mpiray petsapetsa sy ny namany no mpihavana. Fahavalo tokony haringana izay manelingelina izany. Noheverin'ny mpitondra fa toy ny fananany ny vahoaka. Tsy noheveriny ny maha tompon'ny Fanjakana azy. Tsy noeritreretiny ny maha tompon'ny tany sy tompon'ny teny farany ny vahoaka. Nihehevi-tena ho toy ny andriamanitra kely mihitsy ny mpitondra ka manao izay danin'ny kibony: tompon'ny vahoaka. Azo tarafina amin’ity tononkalon'i ARNi ity izany fiheveran'ny mpitondra izany: (…) Afaka izay afaka Manony ny hambom-pony Hihaino feon’ny hafa Fa tsy “mibiby kiry” Manentsina tadiny Sy mitompo teny Ho tompon’ny vahoaka...139. (…)

Mbola ahafantarana izany fiheveran’ny mpitondra izany koa ity asasoratra manaraka ity. Milaza fa atao amin'izay tiana anaovana azy ny vahoaka satria fananana: vonoina, ampijaliana ka mikiakiaka, miantso vonjy. (…) Ireo tofoky ny rà mandriaka Efa leon’ny kiakiaka... drodroky ny antso vonjy Hikatsaka fandriam-pahalemana Mbola ady ialemana140.

138 RP CALLET : Tantara ny Andriana II, imprimerie nationale Antananarivo 1981, tak 1026 139 VA 075, op.cit 140 VA 030 « Ady » (…) Azo ambara àry, noho izany, fa tena tsy nanana ny maha izy azy ny vahoaka. Natao toy ny fananana, nanamparana ny fahefana, nobaboina tamin'ny fomba maro samihafa, tsy navela hiadana eo amin'ny taniny... izany hoe: velomina dia velona, vonoina dia maty. Ireo lehibe, manao izay tiany: tsy manaja ny zon'olombelona, tsy manaja ny maha olona. Hirosoantsika manaraka ny tolona ataon'i ARNi hiadiana amin'ny toe-javatra mamohehatra tahaka izao.

81 TOKO III: TOLONA ATAON'I ARNi MANOLOANA IZANY

Manana andraikitra goavana ny poeta manoloana ny zava-misy iainan'ny firenena.

1. Ny andraikitry ny poeta Tsy araka ny eritreretan'ny besinimaro azy ny atao hoe poeta. Misy ny mihevitra azy ireny ho mpanonofy, mpandrebireby saina, tsy miaina eto an-tany, milaza lainga... Ny marina, miaina eo anivon'ny fiarahamonina izy ary maneho an-tsoratra ny zava-misy ao. Tsy latsa-danja amin'izany i ARNi izay mampiseho ny zava-misy sy ny tontolo manodidina iainan'ny vahoaka. Samy variana amin'ny fitadiavana sy ny asa aman-draharaha avokoa ny vahoaka ka tsy mahadinika ny tontolo manodidina azy, tsy mahatazan-davitra. Manantitra izany i E.R RANDRIAMAMONJY: “Maro loatra ny sahirana amin’ny vary iray lovia ilaina anio sy rahampitso ka tsy mahatazan-davitra intsony”141 . Koa dia ny poeta no nampahafantatra ny misy noho ilay fananany ''fanahy" tsy ananan'ny olon-tsotra ka mora mandray sy malaky manome dikany ny zavatra hitany sy tsapany. I R. ZANAMIHOATRA, mantsy, dia nilaza fa: “Ianao poeta irery no manana fanahy Raha saina monja ihany no entin’ny rehetra Fa ankoatra izao mitia sy manahy Dia mbola ao ianao fisiana tsy mifetra”142. (…) Ho an'ny poeta, misy heviny avokoa ny zava-miseho raha toy ny tsy miova no fahitan'ny vahoaka tsotra izany. I ARNi eto dia mampahafantatra ny tontolo iainan'ny vahoaka malagasy izay tsy tsapan'ny valalabemandry ka ambarany amin'izany fa ratsy, tsy mahatamana, feno habibiana, feno gaboraraka ... io tontolo io. Avohitrany amin'izany ny fahitany ny tontolo iainany manokana ary abaribariny, ihany koa, ny tontolo iainan'ny vahoaka.

141 Esther RANDRIAMAMONJY : Ho avy ny maraina, Trano printy FLM, Ed 2001, tak 138 142 (R) ZANAMIHOATRA : Vainafo tononkira, op cit, tak 12 Ny tontolo iainako? Tontolo tsy mirary izoranao mandalo Tontolo melomeloka tsy fanta-dia ho aiza Tontolo gaboraraka an-tanan’ny adala Tontolo feno lainga maniboka ny marina Tontolo feno fitaka manindry anao hivarina.

Ny tontolo iainanao? Dia ilay maneho ny misy anaty tsy fisiana Dia ilay mikatsaka ny rindra anaty habibiana Dia ilay misotro loza hiteraka hafaliana Dia ilay manantena volana hamafa fahoriana Dia ilay miandradra mana hanaiso-pijaliana143 (…) Sarotra amin'ny olon-tsotra mitady ny harapany isanandro ny hahafantatra io tontolo iainany io. Tena hitan'ny mpanoratra na poeta miharihary anefa, izany ka ampahafantariny ho tsapan'izao rehetra izao. Mbola anjaran'ny poeta ihany koa ny maminany sy milaza ny mba fanirian'ny tsirairay any am-pony any. Manana ny faniriany avokoa ny tsirairay. Fantatry ny poeta na ny mpanoratra izany. Misy vinavina koa ao an-tsain'ny poeta: vinavina ny toe-javatra mety ho avy, ny mety ho endriny, ny mety ho hatsarany. I RADO dia milaza fa: “tsy olon’ny nofy ny mpanoratra fa olon’ny vinany. Avy eo no isehoan’ilay hoe: maminany na mitondra ny endriky ny hoavy, na milaza ny any ampon’ny tsirairay avy”144. I ARNi koa dia mba mamisavisa ao an-tsainy ny tontolo tiany; ary tsy ny azy irery fa ny mba irin'ny tsirairay koa:

143 VA 089 « tontolo iainana » 144 RADO : in aingam-pivoarana, gazetin’ny FIMPATEMA, lah 6, tak 20

83 Ny tontolo an-tsaina iainako? Tontolon’ny voary manento fofon’aina Tonlolo feno sary mirindra amin’ny feo Tontolo iray milanto mihira fitoviana Tontolo iray milamina maneho firaisan-kina. (...) Mpamisavisa ny fahatsarana ny mpanoratra na ny poeta ary izany dia mitovy amin'ny fanirian'ny tsirairay. Ankoatra izany, maneho ny zava-misy iainana koa izy. Teren'ny fiainana ny olona ka tsy mahita ny ambany maso. Rehefa soratana ireny vao tsikariny. Ohatra ny vaovao voalazan'ny gazety ... Ny mpanoratra no maneho ireny zava-misy ireny hiharihary. Tsy misy zava-miafina manoloana azy ireo: na ny fitondrana, na ny fahasahiranana, na ny adin-tsaina, ny fitiavana ... I Nalisoa RAVALITERA dia manantitra fa: “Ny mpanoratra dia mpamohitra ny ambany maso tsy hita. Ny mpanoratra dia mpanambara zava-misy”145. Amin'ny maha poeta an'i ARNi koa, dia milaza ny zava-misy izy. Ireo zava- miseho sy iainan'ny olona andavanandro no asehony amin’izany: adin'ny mahery sy ny osa. Ady atsy, ady aroa Ady anaty, ady zo Zon’ny miaina no katsahina Bala, baomba no ifandripahana Voaheloka, mpiampanga Ady harenan’ny saranga Ady toerana, ady tany. No miseho sy hita lany Ady masina, ady ratsy Ny be sakafo, tsisy vatsy Ady tsotra an-tsafelika Misy marina voaheloka146. (…) Maneho ny zava-misy marina ny asasoratra. Zava-misy tsy dia mampiraika raha tsy voizin'ny mpanoratra. Izy ireo no mahatonga ilay zava-misy ho mora tsapa, ho mora

145 (N) RAVALITERA : in aingam-pivoarana, gazetin’ny FIMPATEMA, lah 6, tak 50 146 VA 099 « Mbola hiady » hita. Ohatra toa hadinodino ny fisian'ny olo-marina voaheloka. Rehefa avohitran'ny mpanoratra, anefa, izany dia manaitra, tena zava-dehibe ery. Tsy mijanona eo ny asan'ny poeta na ny mpanoratra. Mpitondra tenin'ny vahoaka koa izy. Mifanerasera mivantana amin'ny vahoaka ny mpanoratra. Miaina anatina fiarahamonina izy fa tsy manava-tena. Izay zava-misy iainan'ny vahoaka no iainany. Manangona izay hetahetan'ny mpiara-belona aminy izy ary avoakany amin'ny alalan'ny asasoratra ireny hafatra na hetahetam-bahoaka ireny. Miantefa any amin'ny mpamaky rehefa izany ny hafatra. Manantitrantitra izany RANDRIAMIADANARIVO ka milaza fa: "Ny mpanoratra dia mpitondra hafatra [ ]. Ny mpanoratra dia vonona ho maritiora eo amin’ny asasoratra izay hataony raha hamoaka ny hafatra nampitondraina azy”147. Mitondra ny hafatra sy ny tenim-bahoaka ihany koa i ARNi raha tarafina amin'ity asasorany ity. (….) Hatraiza ny fetran’ny Fanavakavahana Na hoditra izany na firazanana koa No soa ho an’ny tanv no asamatsamahana Ny marivo salosana, be didoha148. (…) Voalazan'i ARNi ny mahazo ny vahoaka eto: misy ny fanavakavahana volon- koditra: ny fotsy sy ny mainty; misy ny fanavakavahana firazanana. Paikady nampiasain'ny mpanjanantany ny nizarazara ho foko 18 ny mponina teto Madagasikara ary ny hoe tanindrana sy ny tanivo. Io ilay politikan'ny “zarazarao hanjakana”. Mbola nitohy ihany izany taty amin'ny Repoblika faharoa araka ny filazan'i ARNi. Mbola adidin'ny mpanoratra ihany koa ny mampahafantatra ny vanim-potoana. Tsy mamela ny tantara ho foana ny fisian'ny soratra. Avy aminy no iraketana ny zava-misy araka ny vanim-potoanany avy. Tsy ho voatery ho daty na taona no anehoany izany. Mety ho marika fotsiny, mety ho toe-javatra; mety ho loko ihany aza. I ARNi dia mampiasa ny loko hanambarany vanim-potoana. Loko izay lazainy fa nampitondra faisana ny vahoaka: nampitondra ny mangidy... ao amin'ny tononkalo mitondra ny lohateny hoe "mamofompofom-paty" no anehoany izany. Mamofompofom-paty ilay mena midorehitra mampaniry kintana ny sain’ireo madinika

147 RANDRIAMIADANARIVO : in aingam-pivoarana, gazetin’ny FIMPATEMA, lah 6, tak 43 148 VA 012, op.cit

85 tandindona mosary tsy efan-tsakitsaky. (…)149 Nisy vanim-potoana nanjakan'izany loko mena izany teto amin'ny Nosy raha ny ara-politika no asian-teny. Nandritra ny 26 taona teo ho eo no naharetan’izany. Hain'ny mpanoratra tsara noho izany ny nampiasa ny loko notompoin'izany fitondrana izany ka nanamarihany ny vanim-potoana. Lehibe ny andraikitry ny mpanoratra eo amin'ny fîainam-pirenena. Mbola adidy miandry azy ireny koa, anefa, ny fitarihana sy ny firotsahana an-tsehatra eo amin’ny tolona mba tsy hisian'ny hoe: "mpitari-bato vilam-bava" ka hafa ny tenenin’ny vava, hafa ny ataon'ny tànana".

2. Ny andraikitry ny poeta amin'ny maha mpitolona azy Ny atao hoe andraikitra dia ireo asa tsy maintsy atao, tsy maintsy tontosaina arakaraka ny toerana misy eo anivon'ny fiaraha monina. Manana andraikitra koa ny mpanoratra amin'ny maha mpitolona azy: • Ny andraikiny manoloana ny mpitondra • Ny andraikîny eo anivon'ny vahoaka Hojerentsika misesy ireo.

2.1. Ny andraikitr'i ARNi manoloana ny mpitondra Tsy maintsy mampahafantatra ny zava-misy tsapany sy hitany amin'ny fitondrana ny mpitolona. Ny fahombiazana: tsy mahataitra azy. Raha misy kosa ny tsy mety eo anivon'ny fomba fitondrana, dia tsy maintsy mitsikera ity farany. Ny atao hoe mitsikera dia: - milazalaza izay rehetra mikasika, zavatra na olona iray, - manaratsy Izany hoe tsy milaza afa-tsy ny lafy ratsy amin-javatra na amin'olona iray. Ny mpanoratra koa eto dia milaza ny tsy mety ataon'ny mpitondra. Maro ireo asa tsy mety ataon'ireo mpitondra araka ny voalazan'i ARNi. Tsy ho àry voalaza eto avokoa, anefa, ireny. Santionany toa milaza ampahany amin'izany no ho taterina. (...) Hatraiza ny fetran’ny hoe fandeferana Ny fitiavan-tena, ny tsindrio fa lavo

149 VA 088, op.cit 'ty fanararaotana ndrao tsy anerany Ny hitsiny, rariny toa tsy an’ny mavo?150 Mampiseho ny ratsy ataon’ny mpitondra izany: fitiavan-tena, tsindrio fa lavo, fanararaotana, fibodoana ny rariny sy ny hitsiny... Heverin'ny mpanoratra fa zava-dratsy izany ka tsikerainy ary asehony ho fanta-bahoaka. Tsy afa-miery amin'ny ataony ny mpitondra noho ny fisian'ny mpanoratra. Manambara ny mahazo ny vahoaka ihany koa izy. Mahasahana ny lafim-piainana rehetra eo amin'ny vahoaka madinika ny tsikera ataon'ny mpanoratra. Ampahany amin'ireo zava-mianjady aminy ireo no taratra amin'ity asasoratra manaraka ity. Ao no ilazan’i ARNi fa tontolo efa mankalao no iainan'izy ireo. Tontolo tsy misy fahafinaretana, mampalahelo satria feno olona noana, mponina iharan- kabibiana, olona mitady sakafo eny am-panariam-pako. Hoy ny poeta milaza izany: Tontolo babangoana No hovantaninao An-tsefaky ny ravi-maina Hihintsana ny ampitso Fa mponina efa noana No mifanitsa-kitro Mitsindroka eny ho eny Mamikitra toa kongona Am-panariam-pako. (...)151 Hita fa mampivarahontsana ny toe-javatra iainan'ny vahoaka madinika. Ny mpitondra ihany no antony. Tsy mijanona amin'ny fitsikerana fotsiny i ARNi fa mampitandrina ireo mpitondra ihany koa. Ny mampitandrina dia azo lazaina ho toy ny mandrahona, milaza dieny mialoha fa hanao zavatra. Ny hetsika sy ny asa atao dia misy akony any amin'ilay iharany. Koa ny mpanoratra eto dia mampitandrina ny mpitondra sy ny namany ny mety ho valin'ny asany raha mbola tsy manova famindra. Amin'izany no ilazany ny hasin'ny vahoaka: tsy azo jonoina na fitahina. Lazainy koa fa tsy fampiharana lalàna ary tsy tokony hitondra ny heloky ny mpitondra. Noho izany, ambarany fa: Ny vahoaka! Tsy fitaovana hanjakana

150 VA 012, op.cit 151 VA 080, op.cit

87 Hanararaotam-pahefana Ka jonoina taovan-kena Hangoronana harena. (...) Tsy fampiharana lalana Fa anao ny tanàna Ka anilihanao ny rihitra Amin’ny helokao mizihitra satria ianao mba nitokiany152. Nampitandrina ny mpitondra i ARNi eto fa manana ny maha izy azy io vahoaka io fa tsy anaovana izay tian-katao. Ny vahoaka Malagasy koa moa mbola mandefitra ka mbola mamela ny mpitondra ho eo amin'ny toerany. Ny mpikambana ao amin'ny OTRIKAFO koa dia manambara izany: ”Ho an’ny Malagasy dia tompoina sy toavina ny manam-pahefana isan-tsokajiny rehefa mbola azo leferina ny ataony”153. Rehefa miziriziry amin'ny heviny ihany ireo mpitondra ireo dia avy amin'izay ny vahoaka maneho ny heriny tsy hay tohaina fa: ”sahy manao vy very ny ainy ny vahoaka rehefa mihetsika”154 hoy ihany ny fananteran’ireo ao amin'ny OTRIKAFO izany. Dia hoy koa i ARNi Ny ronono raha mandroatra Mihoatra morona izy izay Dia ritra no iafarany Vilany foana sisa No tratranao sondriana Ny rano anie raha tondraka Maro izany lalany e! Mamaky fefy loha Misosa sv mandriaka Manarona nv iva155. (...) Noho izany, anjaran'ny mpitondra no mieritreritra sy misaina ny tokony hatao amin'ny vahoaka. Rehefa taitra, mantsy, ity farany dia mitroatra ka tsy misy azo atao intsony: rava ny fitondrana.

152 VA 091, op.cit 153 OTRIKAFO : Vahaolana mahomby, op cit, tak 85 154 OTRIKAFO : op cit, tak 86 155 VA 096 « (… !...) » Tsy vitan'ny mampitandrina fotsiny i ARNi fa manoro hevitra ihany koa ny mpitondra. Adidin'ny mpitolona no manoso-kevitra amin'ny fitondrana. Manao izany izy mba tsy hisian'ny tady mihenjan-droa ka ho tapaka no hiafarany. Ny fandanjalanjana ny tokony hatao no mahatsara ny fiaraha-miasa: tokony hoentina amin'ny antonony ny vahoaka. Ny antonony, mantsy, dia sahaza no heviny ka tokony hokatsahina mandrakariva izany. Anterin-dRAVELOJAONA mihitsy izany ka hoy izy “Adidy tsy maintsy atrehina mandrakariva ity fïtadiavana ny antonony ity”156 . Noho izany dia hoy i ARNi manoro hevitra (…) Ny sikina raha gora Mamandrika ny tompony Mba hihosom-potaka Raha atao mafy loatra Manapaka ny andilana ...157 Izany hoe: ny antonony izay zakan'ny vahoaka no atao. Raha tsy izany dia ny tompony ihany (ny mpitondra) no voa. Rehefa avy nampitandrina sy nanoro hevitra i ARNi dia mandrahona amin'izay. Ny hoe mandrahona, ara-kevitra "dia manao fihetsehana milaza mialoha fa hamely, manambana”158 araka ny famaritan-dRAOLlSON ao amin’ny Rakibolana Malagasy. Araka izany, vonona ny vahoaka hiady ary hitolona satria manao be marenina ny fitondrana, tsy laitra ifampiraharahana, tsy mitady marimaritra iraisana. Ry ondatin-dRoy, ohatra, dia sahy mihitsy handrodana ny fanjakan'olom-bitsy rehefa laon'ny taingim-bozona sy ny tsy fîtovian-tsaranga nataon'ireo mpitondra ka hoy izy: Totohondry mivonkona ho fîhantsiana Handrodan-tsaranga tsy fitoviana Fa tsisy taranaka voaozona Handefitra lava ho taingenam-bozona159 (…)

156 RAVELOJAONA : Ny mpandinika, 7 Mars 1927 157 VA 096, op.cit 158 (R.R) RAOLISON : op cit, tak 606 159 ONDATIN-DROY : « Handrodan-tsaranga tsy mitovy », « ANDRY PILIER, 23-06-72 voasoratra tamin’ny 15-07-71

89 I ARNi kosa dia sahy nandrahona ka namonkon-tsandry ary hamaly ireo mpitondra be didoha. Hoy koa izy: (...) Ry rivo-dozan’herisetra fahavalom-pirenena Tsy nitsitsy na nitsetra ireo vahoaka mosarena Mankahala anao ireo ka mivonona sy miandry Tsy hitomany no hitoreo fa kosa hamokon-tsandry160 Tsapa, noho izany, fa ny mpanoratra dia mpitolona ihany koa ary sahy dia sahy handrodana ny fitondrana tsy mahomby. Tsy ny fitondrana irery ihany no ananan'ny mpanoratra andraikitra fa eo amin'ny vahoaka ihany koa.

2.2. Ny andraikitr’i ARNi eo anivon'ny vahoaka Manana ny andraikitra tanany koa ny mpanoratra eo anivon'ny vahoaka manoloana ireo toe-javatra izay mihatra arniny. Miharihary ao anaty asasoratra ireo hetsika sy asa maro hanatanterahany izay. Isan'ireny ny fanairana ny vahoaka. Variana sy sondriana amin'ny faneren'ny fiainana ny vahoaka ka tsy mahatsikaritra ny zava-misy mahazo azy. Adidin'ny mpanoratra ny mamohafoha ny sainy mba tsy donto, ka hahafantatra ny toe-javatra iainany. R. ZANAMIHOATRA dia milaza fa: "Ny anjara toeran'ny mpanoratra eo amin’ny fîrenena iray dia ny mamohafoha ny mpiara-belona aminy tsy ho domelina, tsy ho dotno, tsy hataon’ny olona soavaly”161. Manatanteraka izany i ARNi ka manohina ny tsirairay hifoha amin'ny torimasony sy ny fahasondrianany. Ialahy ve mody fanina sa tsy mahalala Ireo manangintsika mandravaka arabe (...) Ny sofinao mihaino ve no finaritra mandre Ny hiaka antso vonjy ataon’ireo ankizy (...) Ny masonao mijery ve no zatra ny mahita Sa ny sainao kosa no tsy afaka mandalina (...) Ialahy ve manonofy sa mbola te hatory?

160 VA 011, op.cit 161 R. ZANAMIHOATRA : in aingam-pivoarana, gazetin’ny FIMPATEMA, lah 6, tak 54 (…)162 Manaitra ny vahoaka hijery ny misy ny mpanoratra. Manaitra azy arnin'ny torimasony mba handre, mba hijery, mba handalina ny zava-misy. Tsy hoe manaitra fotsiny ny mpanoratra fa mampieritreritra ny vahoaka. Ny fampieritreretana dia natao mba handalinana toe-javatra. Ny tanjona amin'izany dia ny hahasoa, hahamety ny fiainana. Natao ihany koa hahazoan'ny olona manapa-kevitra. Manana izany andraikitra ho fampieritreretana izany i ARNi ao amin'ny tononkalony ka mampisaintsaina ny vahoaka mba hijery ny toe-java-misy iainana. Ambarany amin'izany fa misy ireo fatorana, misy ny miari-pery, misy ny miforitra anaty. Hoy ny mpanoratra: Asanao minia jamba Tsy hijery ireo fatorana Aman-toky rambaramba Androtsiana izato saina Efa drodroky ny omaly Valalan’ny anio (…)163 Mitaona ny olona hieritreritra ny mpanoratra eto. Ny tanjony amin'izany dia ny handraisan'ny olona fanapahan-kevitra mba ho sahy hioitra ka handa ny fahalemeny hatrizay dia ilay fahalemena tsy sahy hiatrika ny misy sy ny fiononana fotsiny amin'ny ataon'ny mpitondra. Rehefa tsapan'ny mpanoratra fa taitra ny vahoaka ary efa nandray fanapahan- kevitra dia miroso amin'ny dingana manaraka izy. Tsy inona izany fa ny fahampahafantarana ny atao hoe vahoaka. Maro amin'ny vahoaka tsimandadiharona no tsy mahafantatra ny hasiny sy ny maha-izy azy eo amin'ny raharaham-pirenena. Misy ny mihevitra fa ny mpitondra ihany no masi-mandidy. I ARNi dia manao izay hampitovy ny fijery sy ny fisainan'ny vahoaka amin'ny adidy tokony hatao sy ny anjara toerana misy azy eo amin'ny raharaham-pirenena. Milaza izany fampitoviam-pijery izany i Nalisoa RAVALITERA manao hoe: “Ny mpanoratra dia anisan’ny miaina ao anatin’ny fiarahamonina anankiray ao anatin’izao tontolo izaontsika izao. Nefa koa ny anjara asany amin’izay fotoana izay dia ny mampitovy fijery, mampiravona ny fihetseham-po ao amin’ny

162 VA 013, op.cit 163 VA 026, op.cit

91 fiarahamonina164. Manao io fampitoviam-pijery io koa cto i ARNi ka mampahafantatra ny \ ahoaka ny hasiny. ny adidy amana andraikitra ary ny toerany eo amin'ny firenena. (…) Ny vahoaka! Tsy entam-barotra amidy Fa tena manana safidy Tsy ho vahiny amin’ny taniny 'zav tompoiny sy andraininy - Izy no Andriamanjaka Ilay vahoaka masin-didy Tomponandraikitra sy adidy Amin’ny fanaovana lalàna Hifehezam-panjakana noho Izy tompon-daka165. Miezaka mampitovy ny fisainan'ny vahoaka ny mpanoratra ka antitranteriny amin'izany ny anjara toerany, ny maha vahoaka azy. Ny vahoaka no maha Fanjakana ny Fanjakana. Manantitrantitra izany RAVELOJAONA hoe: ”Ny vahoaka no fanjakana”166, ka tsy tokony hihafihafy izy ireo fa tena tompom-pahefana tokoa. Rehefa iray saina, sy iray fo ary iray tanjona ny vahoaka, ka tsy hizarazara na hitsitokotoko, dia mora ny fanentanana azy. Ny fanentanana ny vahoaka dia fampirisihana azy ireo hanatanteraka tanjona iray na maromaro. Tsy maintsy misy filoha mpitarika amin'izany satria "biby tsy manan-doha tsy mandeha". Ireo mpitarika ireo, miampy ny tosika avy amin'ny vahoaka madinika no mahatanteraka ny tolona. Ny vahoaka miantehitra amin'ny mpitarika, ny mpitarika matoky ny vahoaka. Miara-miasa ireo handrodanana ny fanjakan'olom-bitsy. Amin'izany no anentanan’i ARNi ireo manam-pahaizana, vato nasondrotry ny tany hitarika ny vahoaka, hiaraka aminy ary manampy amin'ny alalan’ny fahaizany. Miombon-kevitra amin'izany ILAY ka manambara fa: ”Eto amintsika, dia misy olona manam-pahaizana vonona hiaraka amin’ny madinika [ ]. Ny manam-pahaizana kosa manampy, miara-dia aminy, manampy amin’ny fahaizana ananany mba hampahomby ny tolon’ny madinika”167 .

164 Nalisoa RAVALITERA : in aingam-pivoarana, op cit, tak 69 165 VA 091, op.cit 166 RAVELOJAONA : Tanindrazana sy firenena ary isika Malagasy, tak 8 167 ILAY : Mikasika ny fiadanana, 1982 Koa dia nanentana ireo manam-pahaizana i ARNi ka hoy izy: (...) Mitady fanavotana Aminao izay nasondrony Ka ny herim-ponao toa vato Ny sandrinao toa vy No ambiny takiany Hanampy tosika Ilay fioirany mangina HANDRAY NY FANJAKANA168 Ny fitambarana no hery, araka izany. Ny fitambaran'ireo vahoaka madinika sy ireo vato nasondrotry ny tany no tonga hery lehibe sy tsy azo tohaina, tsy azo toherina. Ny fanentanana no nahatonga izany. Tsy vitan'ny hoe mafana fo hanao zavatra fotsiny, fa mila fampirisihana tsy mijanona ny mitolona. Toe-javatra iainana maharitra ny tolona. Tsy iray andro na iray volana fa maharitra aman-taona. Amin'izany, mety hisy ny fangatsiahana, ny tsy fahatantesana lazon'ady, sns.... Ao anatin'izany ny fitondrana dia tsy maintsy hanilika ireo ahiahiany ho mpiray tetika amin'ny mpitolona. Vokatr'izany, be no kivy, maro no miraviravy tanana, tsy vitsy ireo mivarilavo tsy hanao na inona na inona intsony. Na eo aza izany, ny mpanoratra dia miezaka mandrakariva hanatratra tanjona izay efa nokendreny miaraka amin'ny vahoaka dia ny fialana amin'ny fanagejana sy ny teritery samihafa ary ny fitsentsefana. Hoy i RADO manantitra izany fihetsika izany ”ny tena adidin’ny mpanoratra dia ny manamafy ilay sori-dalana neken’ny vahoaka, manamafy an'ilav zavatra notadiavin’ny vahoaka, ary tonga amin'izany tanjona izany”169. Koa dia mampirisika hatrany ny mpanoratra mba tsy ho kivy na ho ketraka ny vahoaka. Ho fampirisihana àry, i RADO, ohatra, dia mitanisa ny tolona nataon'ireo tia tanindrazana fahiny ka nahatonga izao fahaleovantenam-pirenena izao. Hoy izy ao amin'ny "ny tantara". (...) "Ny lambanao ankehitriny Dia notenomin’ny fahiny

168 VA 023 « Aminao » 169 RADO : in aingam-pivoarana, gazety FIMPATEMA, lah 6, tak 57

93 Fa raha tsy misy Menalamba Mbola aiza ianao, angamba? \ Raha tsy nisy vi-vi-eso Ny lalam-bita hoe, refeso! Raha tsy nisy sandry tapaka, Moa ianao ho olona afaka? Ny fahafahanao androany Nisv maty ho an'izany”170 . (…) I ARNi, kosa, indray dia nampirisika mba tsy ho ketraka na inona na inona mitranga. Hoy izy. (…) Aza kivy ny amin’izany Ndeha mitraka ka asehoy Fa anananao ny hery Ary koa porofoy Fa ao aminao ilay saina Matsilo sy maranitra Vonona hisetra Ny avoakan’nv ampitso Tandindona tsy fantatra Misary ankamantatra171. Tsy maintsy tratra ny tanjona eto. Rehefa natomboka dia tohizana foana ka dia manome hery ireo kivikivy izy. Eny anelanelany eny dia mananatra foana. Eny an-dalam-pitolomana eny, dia misy ihany ny mania: "saonjo iray lohasaha, tsy ilaozan'izay iray hamarara". Misy ny mamadika ny tolona, ao ireo mpila ranondranony amin'ireo vitsy an'isa mpitondra ka manao tohatra fiakarana ny madinika fotsiny. Toa manambara izany tokoa ILAY ao amin'ny Mikatsaka nv fiadanana manao hoe: “ka ireny olona lazain’ialahy hoe miaraka amin’ny madinika irenv anie ka mety mora miaraka aminy nefa ny madinika atao tohatra fiakarana fotsiny e!172. Mbola manantitrantitra koa i ONDATIN-DROY fa misy tokoa ireo mpiara-mitolona no mitsoaka an-daharana: ao amin'ny asasorany mitondra ny lohateny hoe: "sakaiza ô!" no

170 RADO : Dinitra, op cit, tak 119-120 171 VA 034, op.cit 172 ILAY : op.cit, 1982 anehoany izany. (…) Sakaiza ô nahoana no zara raha mijanona Mimonomonom-poana ireo namantsika maro Toa maikamaika lava ho ananona sy ananona \ Midifidify ihanv tsv tia ny hifangaro173. (…) Na dia eo aza ireo mpiara-mitolona alaim-panahy, tsy kivy i ARNi fa mananatra foana, tsy misorona fa manao anatry ny tia. Hoy izy: (…) Ny toky fitaka, hono, ny atao no hita Ka kajio ny famindra raha tiana ho tafita Sao sodokan-drendrarendra izay mamarina amin’ny tevana Ka finaritra mipetraka amin’ny seza mitsingevana174. (…) Zava-misy ny voalaza eto. Toe-javatra mateti-pitranga fa misy ireo sokajin'olona tsy misaina afa-tsy ny tombontsoany ka mamadika ny tolom-bahoaka. Fa ankoatra izay voalaza rehetra izay, misy ny tolona ataon'ny mpanoratra samirery. Inoan'ny mpanoratra ny fisian'Andriamanitra. Fantany fa Azy irery ny fahefana misy. Noho izany indrindra no iantsoany Azy mba ho tonga, hamaly ny fangatahany sy ny faniriana. Tsy i ARNi irery no manao izany fihetsika izany. Ao, ohatra, i Clarisse RATSIFANDRIHAMANANA izav mivavaka ho an'ireo mahantra ao amin'ny asasorany mitondra ny lohateny hoe “vavaka ho an'ireo mahantra". Ao anatin'io tononkalony io no iangaviany an’Andriamanitra hihaino ny fivavak’ireo fadiranovana.

(…) Ry Andriamanitra, henoy ny talaho sy fivavahany Toran-kovitra ny nofony, mihararetra ny fanahiny Ny dian-kapoka nandratra, nampikoy ny fïnoany Sy mandevona amin-kery, toy ny tsy hipoitra intsony

173 ONDATIN-DROY : « sakaiza ô », Ny Andry, n°108, 26-08-71 174 VA 014 « tampi-maso »

95 (…)175 Toy izany koa i RADO ao amin'ny asasorany hoe "vavaka" izay anehoany ny fitiavany ireo mahantra ka andavany ny tenany tsy hahazo izay ananany isanandro: fitafiana, sakafo ... Tompo ô mafisa fo Ka aza omena valiny aho na dia mangataka aza anio! Fa iangaviako ianao! Omeo ho an’nv rahalahiko, ary ho azy manontolo, izav fangatako isanandro176. (…) Ho an'i ARNÎ indray, dia miantso an'Andriamanitra izy ary mangataka ny hamaizana ireo sokajin'olona mpandredri-bahoaka, ireo mpandroba; mangataka ihany koa ny hanafahana ny geja mahazo ny firenena. Ao amin'ny asasorany hoe "Haika" no ahitana izany. (...) Tompo ô, nahoana ny ratsy indray no ambinina? Tompo ô, tapaho ny lelan'ireo kinga Mandrendrika vahoaka, mpanao kabarim-poara Mitonon-tena ho marina amin’ny fiantsoana Anao177. (…) Hita amin'izany fa tsy manadino Ilay Hery lehibe ny mpanoratra ao amin'ny raharaham-pirenena. Avy Aminy no ahafahana manohitra ny asa ratsy sy tsy mendrika ataon'ireo tsy mataho-tody. Tsy ny mpitondra na ny vahoaka ihany no ananany andraikitra, fa ny tenany mihitsy koa no mitolona sy mivavaka mba hahafaka ity tany ity.

FEHINY

Niarahantsika nahita tao amin'ity fizarana faharoa ity ireo toe-javatra misy atrehan'ny madinika:

175 (C) RATSIFANDRIHAMANANA : « vavaka ho an’ireo mahantra » in Haisoratra sy fiarahamonina, natontan’ny FTM, 1977, tak 45 176 RADO : Dinitra, op cit, tak 44-45 177 VA 078, op.cit - teo amin'ny fivelomana - teo amin'ny vola - teo amin'ny trano fonenana - teo amin'ny toe-tsaina - teo amin'ny fitondram-panjakana. Miharihary ihany koa ireo trangan-javatra mianjady amin'ny vahoaka madinika: - Ny fanararaotam-pahefana - Ny fambaboana ny fon'ny vahoaka - Ny fitsentsefana sy ny fanimban-javatra. Tsy miafina tamintsika koa ireo tolon'ny mpanoratra manoloana ireo toe-javatra misy ireo: - Ny tolona ataonv amin'ny maha-poeta azy - Ny tolona ataonv amin'ny maha-mpitolona ary. Zava-misy ary niainana teo amin'ny fîaraha-monina daholo izany. Ny mpanoratra no vavolombelona nampahafantatra ireny. Hirosoantsika manaraka indray ny fomba fanehoan-kevitra nentin'ny mpanoratra nampita ny hafatra tao amin'ny asasorany.

97 FIZARANA FAHATELO:

NY FOMBA FANEHOAN-KEVITRY NY MPANORATRA TOKO I : NY FILALAOVANA AMIN'NY ENDRIKA IVELAN'NY TONONKALO

Na dia eo aza ny hasarobidin'ny hevitra voatahiry ao anatin'ireny asasoratr'i ARNi ireny, dia mety handringa ihany izany ka tsy hahatomombana ny atao hoe : literatiora raha tsy dinihina ny fomba fanehoan-kevitry ny mpanoratra. Ny vontoatiny sy ny endrika ivelan'ny asasoratra miaraka, mantsy, no maha-literatiora ny literatiora. Koa raha hanadihady literatiora dia tokony tsy hodian-tsy hita ny fomba fanehoan- kevitry ny mpanoratra. Mialoha izany anefa, dia tsara raha asiana teny fohy ny atao hoe: literatiora. Efa misy hatramin'ny ela ny literatiora teo amin'ny Malagasy, dia ireo nantsoina hoe "literatioran'ny Ntaolo". Am-bava avokoa no nanaovany azy: ny kabary, ny hainteny, ny angano... Noraketina an-tsoratra ireny nony tafiditra ny soratra ny taona 1818 tany ho any. Teraka, noho izany, ny literatiora an-tsoratra, ary niroborobo noho ny ezak'ireo mpanoratra. Samy manana ny famaritany ny literatiora ireo mpandinika. Miovaova araka ny vanim-potoana, ny toe-javatra, ny fandrosoana... io famaritana io. Noho izany, tsy misy famaritana tokana azo atolotra. Mba hampazavazava ny atao hoe literatiora àry dia andeha handray famaritana vitsivitsy isika. RAVELOJAONA, dia mamaritra fa ny literatiora dia “Avy amin’ny teny lalina hoe: “LITTERA” ary litera na soratra no dikany. Ny heviny raha lazaina tsotra dia izao: fandaharana an-tsoratra na am-bava izay zavatra mitranga no an-tsain’ny olona”178. Ho an'io mpandinika io, ny literatiora dia mifototra amin'ny asasoratra vokarin'ny mpanoratra noho ny aingam-panahy teo am-pahitana ny tontolo manodidina azy. Tsy ampy hamaritana ny atao ho literatiora izany ho an'i J.P. SARTRE. Aminy ny literatiora dia fïtambaran'ny hasin-javatra telo: ny asa soratra, ny mpanoratra ary ny mpamaky. Mitovy lenta izy telo ireo179. • Ny asasoratra dia vokatry ny fo sy ny sain'ny rnpanoratra. Tsy tongatonga ho azy, noho izany, izy raha tsy teo ny mpanoratra. • Ny mpanoratra: izy no nananana sy namorona ny asasoratra. Tsy tongatonga ho 178 RAVELOJAONA : « Littérature », Mpanolo-tsaina, tak 19, Juillet 1908 179 (JP) SARTRE, Qu’est-ce que la littérature ? Ed. Gallimard, Paris 1948

99 azy ny asasoratra raha tsy noho ny ezaka nataony. Zava-poana ihany anefa ny ezaka nataony raha tsy misy mpamaky. • Ny mpamaky dia manana anjara toerana lehibe ao amin'izany rehetra izany. Tsy misy antony ny literatiora raha tsy tafita any amin'ny mpamaky ny hafatra. Ity farany no manome hasina sy aina ny asasoratra amin'ny alalan'ny famakiana sy fitsikerana azy. Araka izany, mitampianldna tanteraka ireo hasin-javatra telo ireo. Raha ireo famaritana roa ireo no aravona, dia azo atao ny milaza fa ny literatiora dia asasoratra noforonin'ny mpanoratra miainga amin'ny zava-misy niainana na iainana ka niteraka aingam-panahy ho azy. Kihon-dalana ihaonan'ny mpanoratra sy ny mpamaky ny asasoratra. Ny fanomezan'ny mpanoratra azy endrika kanto sy miavaka amin'ny asasoratra andavanandro no mahatonga azy haharitra ka tsy lefin'ny fotoana. Hoy i R. ZANAMIHOATRA: "Izay atao hoe: literatiora [ ] ny tena asa mendrika, voarakitra amin’ny soratra manara-dalàna araka ny fîtsipiky ny teny. Noho izany, tsy izay soratra zara fa miteny rehetra izao akory dia azo lazaina fa literatiora. Tsia”180. Misy fiangaliana ataon'ny mpanoratra ny asasoratra, noho izany. Tsy ny hamoaka hevitra fotsiny no kendreny, fa mikaroka ireo fomba kanto anehoana io hevitra io. Ho an'ny RARY indray dia: “Famoronana mifototra amin’ny fahaizan’ny mpanoratra manome aina sy hevitra ary sary ny teny ampiasainy mihoatra noho ny fahatsapana sy fahatakarana azy andavanandro ny literatiora, mahatonga ny sorany sy ny fomba filazany zavatra miavaka sy tsy azo amboarimboarina, mitondra tandindona fenon’izy mpanoratra ary azy ihany”181 . Noho izany, misy ny endrika hafa tsy mitovy amin'ny fahita andavanandro ao amin'ny asasoratra. Ireny no mampiavaka ny literatiora eo amin'ny fomba fanehoan- kevitra sy fampitan-kafatra. Tombony iray ananan'ny tononkalo sy mampiavaka azy amin'ny asasoratra hafa ny fisian'ny bika amana endrika ao aminy. Heverina ho antony iray misarika ny olona hifantoka amin'ny fanadihadiana sy ny famakiana azy izany. Maro ireo singa mampiavaka azy: ny lohateny, ny firindran'ny andalana sy ny

180 (R) ZANAMIHOATRA : op cit, teny mialoha 181 RARY : Fiaraha-midinika nifanaovana tamin’ireto mpanoratra ireto : RADO, RANJATOHERY Harilala, RANDRIAMAMONJY Esther, Lila RATSIFANDRIHAMANANA, MBATO, natao tany amin’ny ESDEGS Ankatso ny 09/12/95 andininy, ny rima, ny vanin-danto, ny ngadona. Mitaky fahaizana avy amin'ny mpanoratra ny fandrindrana ireo mba hahafa-po ny mpamaky ka hahazoany fahafinaretana. Anisan'ny mahay milalao ireo singa ireo koa i ARNi.

1. Ny lohateny: Ny lohatenin'ny asasoratra dia efa ahafantarana sahady ny ventin-kevitra tiany hambara. Moramora kokoa ny manakatra ny hevitra raha misy lohateny mazava. Mifanohitra amin'izany indray raha tsy misy mihitsy.

1.1. Ny lohateny mazava Ny asasoratri ARNi dia saika ahitana lohateny mazava. Tsy ary mitovy avokoa ireny fa misy fahasamihafany.

• N y lohateny miendrika fototeny: Ampiasain'ny mpanoratra io fomba iray io mba hisarihana avy hatrany ny mpamaky hitantoka, ary tonga dia hahazo ny hevitry ny asasoratra sy ny tena tiana hambara ao. Izany hoe ny foto-dresaka. Ohatra: "Tady",182 entin’ny mpanoratra milaza ny fomba fikarohana, fomba fitadiavan'ny vahoaka madinika ny sakafony. Ohatra ihany koa “salotra”183 anehoan'ny mpanoratra ny fihetsika ety ivelany izay fanaon’ny mpihatsaravelatsihy, ka tsy ny tena toetra no avoaka fa takonana, salobonina, salorana fihetsika hafa.

• N y lohateny miendrika fehezanteny: Fomba iray amaritan'ny mpanoratra ny tiany ambara io endrika lohateny iray io. Mahalaza avy hatrany ny foto-kevitry ny asasoratra ary dia mora takatra ny tiany hambara. Ohatra : "Iny hono, izy"184. Teny fandrotsirotsiana sy fanehoana fihetseham-po. Nataon'ny mpanoratra ihany koa hitondrana ny sain'ny olona valalanin'ny fiainana eto an-tany mba hiserana any amin'ny toerana na tontolo hafa mba hanalefade faka ny sorisorin-tsaina. Ohatra hafa "hihira aho". Anehoan'ny mpanoratra amin'ny feo mafy ho ren'izao

182 VA 022, op cit 183 VA 058 « Salotra » 184 VA 03 « Iny hono izy »

101 rehetra izao ny zava-misy eo amin'ny fiaraha-monina: ny fahantrana, ny zara vilana, ny sivana...

• N y lohateny miendrika andian-teny : Mampiasa lohateny miendrika andian-teny ny mpanoratra ilazany toe-javatra tsy mampandry saina, tsy mahatafandry mandry, maharitra. Ohatra "mbola hiady". Ilazan'ny mpanoratra fa "ady ny fiainana": na aiza na aiza dia misy foana io ady io ary maharitra fa tsy vetivety. Ohatra ihany koa "Eritreritra fahavaratra"185. Anehoan'ny mpanoratra fa tsy tafandry mandry mihitsy ny eritreritra manoloana ny fiahiana ny fiainana andavanandro.

• N y lohateny miendrika fanontaniana Ny lohateny miendrika fanontaniana dia entin'ny mpanoratra eto hanairana ny sain'ny mpamaky handinika ny zava-misy. Ohatra : "Hatraiza ?": Fanontaniana ataon'ny mpanoratra amin'ny vahoaka sy ny mpamaky ary ny mpitondra ny amin'ny tokony ho fetran'ireo toe-javatra misy eo amin'ny fitondrana ka mampijaly ny vahoaka. Ohatra koa: "... ve ?" fanontaniana ataon'ny mpanoratra ihany koa hampahiratra ny mason-tsain'ny vahoaka hahita sy hahatsikaritra ny zava-misy.

• N y lohateny miendrika (...! ...)186 Mari-piatoana no ataon'ny mpanoratra lohateny. Hisarihany ny mpamaky handray anjara betsaka amin'ny famakiana ny asasoratra io. Nataony izany mba handinihana sy hisaintsainana ny tokony hatao. Io endrika io no nampiasain'i ARNi mba hampisaintsaina ireo mpitondra isan'ambaratongany ny tokony hitondrana ny vahoaka, izay hery lehibe tsy hay tohaina rehefa mitroatra. Mora azo ny hevitry ny asasoratra rehefa mazava ny lohateny. Mba manao ahoana indray àry ny fisamborana ny vontoatin'ireo asasoratra tsy misy lohateny.

1.2. Ny tsy misy lohateny Misy ihany koa ao amin'ny asasoratr'i ARNi no tsy misy lohateny.

185 VA 053 « Eritreritra fahavaratra » 186 VA 096, op cit Nataon'ny mpanoratra, angamba, izany hanomezany lanja bebe kokoa ny mpamaky hahafahany mandray anjara mavitrika. Anjaran’ny mpamaky ny manome lohateny ny asasoratra arakaraka izay tsapany avy tao. Matetika dia ny andalana voalohany indrindra no atao lohateny. Ohatra "Ny tovovavintsika”187. Andalana voalohany indrindra izay entin'ny mpanoratra manomboka ny resaka. Izany hoe toy ny lohateny. Ato anatin'ny asasoratr'i ARNi, dia maro ireo tsy misy lohateny ka ny andalana voalohany indrindra no noraisinay ho lohateny. Tsy ny asasoratra izay ifantohan'ny asa eto ihany anefa no ahitana izany. Ny hiram-pivavahana dia saika ny andalana voalohany hatrany no atao lohateny. Ohatra ny fihirana FFPM. Ao amin'ny asasoratr'i ARNi, ohatra, dia noraisinay ho lohateny ny hoe "Alika masiaka"188 andalana voalohany indrindra. Amin'io no anambaran'ny mpanoratra ny fanafenana ny tetika ataon'ireo ngeza amin'ny alalan’ny soratra ety ivelany mba tsy vitsy hitsabatsabaka afa-tsy ireo efa mahafantatra olona sy ny mabitabita ihany. Tsy dia ampy hambaboana ny mpamaky avy hatrany ny lohateny. Heverina fa ilaina koa ny fahaiza-mandrafitra ny andalana mba hampisy aina tsara ny asasoratra.

2. Filalaovana amin'ny andalana Anisan'ny mahatsara na manaratsy endrika ny tononkalo ny rafitry ny andalana. Andraikitra lehibe ho an’ny mpanoratra ny manao izay fandrindrana fantany fa hahamendrika ny asasorany. Fototra iray hampijoroana ny tononkalo, mantsy, ny andalana. Manana fahafahana tanteraka ny mpanoratra na hanao andalana lava, na andalana fohy, na andalana antonony, arakaraka ny fihetseham-pony sy ny votoatin- kevitra tiany hampitaina.

2.1. Ny andalana fohy Ampiasain'i ARNi ny andalana fohy anehoany faniriana na koa fihetseham-po vokatry ny zava-misy. Ny andalana fohy indrindra ao amin'ny asasoratra dia ahitana vaninteny 6 na 7 na 8. Ohatra: ao amin'ny tononkalo mitondra ny lohateny hoe "sivana" izay ampahafantaran'ny mpanoratra ny fisian'ny fiangarana eo amin'ny vahoaka madinika sy ireo ngeza.

187 VA 093 « Ny tovovavintsika » 188 VA 095, op cit

103 te/ ny/ ke/ ly/ nja/ 1 2 3 4 5 6 li/ te/ ra/ vi/ tsy/ e/ ni/ na/ 1 2 3 4 5 6 7 8 ka/ ne/ fa/ ma/ na/ nda/ nja/ 1 2 3 4 5 6 7 mi/ la/ za/ sy/ mi/ a/ mpa/ nga/ 1 2 3 4 5 6 7 8

Mbola mampiasa andalana fohy ihany koa i ARNi hanehoany ny faniriana ho an’ny isam-batan’olona hanana fahafahana manoloana ny zava-misy eo amin’ny fiainana. HIta izany ao amin’ny « Afaka ».

A/ fa/ ka/ i/ za/ y/ a/ fa/ ka/ 1 2 3 4 5 6 7 8 9 ma/ no/ ny/ ny/ ha/ mbo/ mpo/ ny/ 1 2 3 4 5 6 7 8 hi/ ha/ i/ no/ fe/ o/ n'ny/ ha/ fa/ 1 2 3 4 5 6 7 8 9 fa/ tsy/ mi/ bi/ by/ ki/ ry/ 1 2 3 4 5 6 7 ma/ ne/ ntsi/ na/ ta/ di/ ny/ 1 2 3 4 5 6 7

Ankoatra izany, ampiasain'ny mpanoratra koa ny andalana antonony.

2.2. Ny andalana antonony Ny andalana antonony dia ahitana vanin-teny 10 ka hatramin'ny 15. Nataon'ny mpanoratra hitadiavana ny mety, ny sahaza eo amin'ny fifampitondran'ny vahoaka sy ny mpitondra. Ao amin'ny "Iny, hono, izy" i ARNi dia mandrotsirotsy ny vahoaka efa reraky ny fitadiavana hiala kely ny tontolo iainana isanandro ho any amin'ny tontolo hafa.

o/ ra/ vo/ ro/ na/ i/ ro/ ny/ i/ ny/ i/ zy/ e/ nto/ 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 mi/ si/ di/ na/ a/ mbo/ ny/ ma/ na/ ra/ ka/ a/ na/ o/ 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 fa/ tsy/ ta/ nti/ ny/ i/ ntso/ ny/ ny/ ve/ lo/ na/ e/ to/ 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14

Ampiasain'i ARNi ihany koa ny andalana antonony anaovany antso avo amin'ireo mpitondra mba hisian'ny vahaolana amin'ireo zava-mianjady amin'ny vahoaka. Hoy i ARNi ao amin'ny "haika".

a/ ve/ la/ o/ a/ ho/ mba/ hi/ hi/ a/ ka/ 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 e/ ny/ hi/ hi/ a/ ka/ fa/ no/ he/ ra/ na/ 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 i/ re/ o/ di/ dy/ i/ za/ y/ ma/ me/ hy/ 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 i/ ty/ va/ ta/ na/ ta/ o/ la/ ni/ na/ 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 za/ ry/ ie/ mby/ fa/ ni/ mpa/ ni/ na/ 1 2 3 4 5 6 7 8 9 mi/ a/ ndra/ ndra/ ny/ ho/ ta/ na/ o/ mi/ tsi/ pi/ ka/ 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13

Ny andalana antonony koa, dia anehoan’ny mpanoratra ireo tsy fahatanterahana ny zavatra nampanantenaina ombieny ombieny nataon’ny fitondrana, koa dia mitaky izany i ARNi ao amin’ny « Hatraiza ? ».

105 Ha/ tra/ i/ za/ ny/ fe/ tra/ n'ny/ ho/ e/ fa/ nde/ fe/ ra/ 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 o/ ry/ va/ ho/ a/ ka/ ma/ mi/ tsa/ ka/ ha/ tra/ ny/ 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 ne/ fa/ ny/ ra/ no/ e/ fa/ tsy/ a/ nda/ fe/ ra/ na/ 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 mi/ ho/ a/ tra/ ny/ lo/ ha/ ny/ a/ nka/ so/ n'ny/ ta/ ny/ 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14

Na dia misy aza ireo andalana nataontsika hoe antonony, ny mpanoratra koa dia mampiasa andalana lava ihany koa.

.3. Ny andalana lava Ny andalana lava dia misy vanin-teny mihoatra ny 16. Nataon'ny mpanoratra hanehoana fihetseham-po mibosesika ka satriny ihany hamoaka izany. Ao amin'ny "... ve ?", ny mpanoratra no mampiseho ny toe-javatra tsikariny ka anairany ny mpiara-belona aminy. Ny zava-misy iainana dia mampimenomenona hany ka lasa lava ny teny avoaka.

ny/ so/ fi/ na/ o/ mi/ ha/ i/ no/ ve/ no/ fi/ na/ ri/ tra/ ma/ ndre/

1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16 17

ny/ ki/ a/ ka/ a/ ntso/ vo/ njy/ a/ ta/ o/ ni/ re/ o/ a/ nki/ zy/

1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16 17

mi/ sa/ ri/ ngo/ bo/ ro/ da/ mba/ mi/ so/ li/ ti/ ka/ i/ za/ y/ tsy/ i/ zy/

1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16 17 18 19

Maneho ny fanangolena ataon'ireo olona sasany amin'ny madinika indray i ARNi ao amin'ny "Tampi-maso". Malahelo ary mananatra izy ka mibosesika izay tsy izy ny teny aloaky ny vavany. fa/ lo/ ngo/ a/ mi/ to/ to/ bo/ za/ ka/ re/ o/ te/ ny/ i/ za/ y/ na/ te/ ny/ i/ za/ y/ na/ la/ ha/ ny/ 1/ 2/ 3/ 4/ 5/ 6/ 7/ 8/ 9/ 10/ 11/ 12/ 13/ 14/ 15/ 16/ 17/ 18/ 19/ 20/ 21/ i/ si/ nto/ an/ ny/ a/ na/ o/ hi/ ta/ i/ ngi/ na/ ny/ za/ ha/ ny/ 1/ 2/ 3/ 4/ 5/ 6/ 7/ 8/ 9/ 10/ 11/ 12/ 13/ 14/ 15/ 16/ 17/ sa/ hi/ a/ ny/ ha/ zo/ to/ ka/ na/ ho/ no/ i/ re/ ry/ tsy/ mba/ a/ la/ 1/ 2/ 3/ 4/ 5/ 6/ 7/ 8/ 9/ 10/ 11/ 12/ 13/ 14/ 15/ 16/ 17/ 18/ ka/ ba/ bo/ i/ ny/ a/ lo/ ha/ ny/ fo/ ha/ ha/ la/ o/ i/ re/ o/ tsi/ nga/ la/ 1/ 2/ 3/ 4/ 5/ 6/ 7/ 8/ 9/ 10/ 11/ 12/ 13/ 14/ 15/ 16/ 17/ 18/ 19/ 20/

Saika ny asasoratr'i ARNi rehetra no ahitana andalana lava toy izao. Misy ihany koa, anefa, ireo andalana mifangaro.

2.4. Ny andalana mifangaro Toy ny mpanoratra rehetra, i ARNi koa dia mampiasa io andalana mifangaro io. Ohatra ny andalana fohy sy lava, ny andalana antonony sy fohy, ny andalana lava sy fohy... ao anaty andininy. Entin'ny mpanoratra anehoana toe-javatra mifanohitra io endrika andalana io. Ao amin'ny “Dindo”189 ohatra dia ny fihetsika ataon’ny matanjaka sy ny osa no mametra ny andalana : - Ny matanjaka : aseho amin'ny andalana lava na antonony - Ny osa kosa aseho amin'ny andalana fohy. Ny/ di/ di/ n’ny/ ma/ ta/ nja/ ka/ ma/ na/ na/ ny/ he/ ri/ ny/ 1/ 2/ 3/ 4/ 5/ 6/ 7/ 8/ 9/ 10/ 11/ 12/ 13/ 14/ 15/ la/ vo/ ka/ fa/ ndri/ ho/ 1/ 2/ 3/ 4/ 5/ 6/ Ny/ a/ ko/ ny/ a/ mi/ n’ny/ osa/ mi/ a/ i/ na/ a/ na/ ty/ fe/ ri/ ny/ 1/ 2/ 3/ 4/ 5/ 6/ 7/ 8/ 9/ 10/ 11/ 12/ 13/ 14/ 15/ 16/ 17/ 18/ 19/ a/ vo/ ka/ fa/ ndri/ ho/ 1/ 2/ 3/ 4/ 5/ 6/ Natao koa ho fanehoana ny tsy fitoviana io endrika iray io. Etsy andanin'izany, ampifangaroan'ny mpanoratra ireo endrika andalana ireo ao anaty asasoratra iray. Nentiny hanehoana ny fihetsika ataon'ireo olona mivavaka mba hialana amin'ny fahoriana. Ao amin'ny "Misitrany" no ahatsapana fa tsy voafehin'ny mpanoratra intsony ny teny avoaka rehefa poritra ka mitady fanampiana ny olona.

189 VA 076 « Dindo »

107 Andi-3 ma/ ngi/ ri/ fi/ ry/ i/ a/ na/ o/ ra/ ko/ try/ ny/ fe/ ry/ 1/ 2/ 3/ 4/ 5/ 6/ 7/ 8/ 9/ 10/ 11/ 12/ 13/ 14/ 15/ ma/ fy/ lo/ a/ tra/ a/ nga/ ha/ ny/ fi/ ri/ tso/ ky/ ny/ a/ ka/ so/ 1/ 2/ 3/ 4/ 5/ 6/ 7/ 8/ 9/ 10/ 11/ 12/ 13/ 14/ 15/ 16/ 17/ ka/ i/ ndro/ i/ a/ na/ o/ fa/ la/ sa/ na/ nde/ ha/ hi/ to/ ka/ mo/ ni/ na/ 1/ 2/ 3/ 4/ 5/ 6/ 7/ 8/ 9/ 10/ 11/ 12/ 13/ 14/ 15/ 16/ 17/ 18/ 19/ mba/ hi/ va/ va/ ka/ 1/ 2/ 3/ 4/ 5/ Etsy ankilany kosa, ny andalana mifangaro dia maneho fanesoana toa fanomezan-tsiny, nefa ihany koa ahatarafana alahelo. Ahitana izany ao amin'ny hoe : «Ifadiana »190

190 VA 092 « Ifadiana » And 1 : i/ mpi/ ry/ i/ za/ y/ ni/ va/ di/ ka/ ny/ ora/ sy/ mi/ ni/ tra 1/ 2/ 3/ 4/ 5/ 6/ 7/ 8/ 9/ 10/ 11/ 12/ 13/ 14/ 15/ 16/ ny/ o/ ma/ ly/ tsy/ mi/ o/ va 1/ 2/ 3/ 4/ 5/ 6/ 7/ 8/ fa/ mbo/ la/ i/ o/ i/ a/ na/ o/ 1/ 2/ 3/ 4/ 5/ 6/ 7/ 8/ 9/ Fa mbola fomba iray ihany koa, entin'ny mpanoratra hanambarany zava-misy eo amin'ny fiaraha-monina ny andalana mifangaro ka : - Ny andalana lava anehoany ny toe-javatra misy - Ny andalana fohy kosa anehoany ny vokany. Ao amin'ny "Tarazo" no ahitana izany.

And 4 : ny/ mi/ za/ na/ mi/ to/ ngi/ la/ n’ny/ ra/ fi/ tra/ ma/ nja/ ka/ 1/ 2/ 3/ 4/ 5/ 6/ 7/ 8/ 9/ 10/ 11/ 12/ 13/ 14/ 15/ no/ za/ ry/ ma/ ha/ za/ ka/ 1/ 2/ 3/ 4/ 5/ 6/ 7/ ma/ ma/ to/ tra/ i/ re/ o/ sa/ ndry/ tsy/ ho/ a/ fa/ ka/ hi/ o/ i/ tra/ 1/ 2/ 3/ 4/ 5/ 6/ 7/ 8/ 9/ 10/ 11/ 12/ 13/ 14/ 15/ 16/ 17/ 18/ Fa/ ha/ le/ my/ tsy/ hi/ tro/ a/ tra/ 1/ 2/ 3/ 4/ 5/ 6/ 7/ 8/ 9/ Hita eo amin'ny tononkalon'i ARNi avokoa na ny andalana fohy, na ny andalana lava, na ny andalana antonony, na ny andalana mifangaro anatina andininy iray. Efa nampibaribary ny fahakingan’ny mpanoratra eo amin’ny fanomezana lanja ny vontoatin’ny asasoratra sy ny fahaizany manome ny kanto izany. Ilaina ihany koa, anefa ny fijerena ny andininy.

3. Ny filalaovana amin'ny andininy Andalana vitsy na maromaro no mirafitra ho andinin-tononkalo. Tsy ary hitovy ny isan'ny andalana ao anatin'ny andininy iray. Miovaova araka ny fihetseham-pon'ny mpanoratra sy ny hevitra tiany hampitaina ny fandrafetany izany. Noho izany, ilàna talenta sy fanomezam-pahasoavana io asa io, araka ity tenin-dRAVELOJAONA ity : “Tsy azo anaovana tonga dia mijoloka tsy akory ny poeta. Ilaina talenta sy

109 fanomezam-pahasoavana manokana io”191. Na izany aza, tsy ny habetsahan'ny andinin-tononkalo koa no ahazoana mampita ny hevitra sy fihetseham-po, fa mety ho andalana iray na roa ao anatin'ny andininy. Milaza i R. ZANAMIHOATRA fa: “Tsy ny manontolo amin’ny soratra anefa no manan-kery hahatohina ny olombeloua fa zava-bitsivitsy ihany: mety ho teny kely tsy anampoizana akory aza”192. Noho izany, tsy tokony ho lava loatra ny andininy iray fa ny teny na ny filazan- javatra ao anatiny no tokony hofantenana tsara hahalaza ny hevitra tiana hampitana. I Henri MORIER dia mamaritra fa amin'ny ankapobeny, ny andininy iray dia ahitana andalana efatra ka hatramin'ny roa ambin'ny folo193. Nihanalalaka, anefa, izany taty aoriana, ka azon'ny mpanoratra atao ny manao tononkalo na ho andalany iray, na roa, na telo.... na mihoatra ny 12 koa aza ao anatin'ny andininy iray. Ho an'i ARNi, dia misy ireo tononkalo mirafitra amina lasitra hentitra, ao koa ireo tsy manana izany.

3.1. Ireo tononkalo amina lasitra hentitra Misy maromaro izy ireo ao amin'nv asasoratr'i ARNi.

• N y "tercet" 194 Ny "tercet" dia andininy iray misy andalany telo. Manana ny heviny ny isa telo eo amin'ny Malagasy: nahazoana ilay fitenenana hoe: "toko telo mahamasa-nahandro". Izany hoe midika fifanampiana sy firaisan-kina ahazoana ny tanjona tian-kotratrarina. Entin'i ARNi anehoana ny toe-tsain'ny olona tsy mba mety fay amina toe- javatra tsy mahomby sy efa nahavoafitaka eto ny andalana telo ao amin'ny andininy iray. Antitranteriny amin'izany fa na dia nitolona aza izy, dia ny omaly tsy miova ihany no ataon'ny mpitondra. Kanefa dia rnbola manaraka sy tsy mety leo ny olona sasany hanohy ny tolona. Impiry izay nivadika ny ora sy minitra Ny omaly tsy miova Fa mbola io ianao

191 RAVELOJAONA : Ny mpanolo-tsaina, lah 19, Jolay 1908 192 R. ZANAMIHOATRA : Vainafo tononkira, op cit, tak 6 193 (H) MORIER : Dictionnaire de poétique et de rhétorique, Paris, PUF, 1961, p. 1039 194 Dictionnaire Universel de poche : Hachette, Livre et Librairie général Français, 6e rue pière Serrazin, Paris, 1993 « Tercet » : « strophe de trois vers » Impiry izay nandroso ny volana sy andro Niverina alohany Fa mbola io Ianao (...)195 Ahitana ny atao hoe "sonnet" koa ny tononkalon'i ARNi. Ny sonnet moa dia ”tononkalo ahitana andalana 14 ary mizara ho andininy 4: ny andininy 2 voalohany misy andalana 4 avy; ary ny andininy 2 farany, ahitana andalana 3 avy”196 . Manavanana an'i io fandrafetana andininy io. Ohatra amin’izany ny tononkalony mitondra ny lohateny hoe: "Eto an-davarangantsika", "tafatoetra", "Misy...", "Mionona"... Mampiasa ny "sonnet" i ARNi nanehoany ny eritreritra tsy mandry mahazo ny vahoaka madinika amin'ny ahitana izay hatokona. Ao amin'ny "Eritreritra fahavaratra”197 no misy izany: - Ao amin'ny andininy 2 voalohany no amariparitan'ny mpanoratra ny zava- misy iainan'ireo olona mahantra ireo. - Ao amin'ny andininy 2 farany kosa no amintinany sy anehoany ny fiantraikan'iry voalohany amin'ilay olona. Orana mitraho, rivotra mifofo No hany iainanao variana miampofo ‘tv menaky ny aina toa madisadisa Noana izany tenany ka indro mila kisa. (...) Orana mikija, riaka manindao Manampy indray ilav teby maneiy mankalao Ity saina very jery toa resaka sahady (...) • Ny andinin-tononkalo ahitana andalany efatra na "quatrain"198 dia andalana efatra mirafitra ho andininy iray. Andinin-tononkalo mahazatra ny mpamaky maro, eny fa na dia ny zaza aza. Ao amin'ny tononkalo « Ny heriko » no anehoan'i ARNi fa ny hery tsy fitaovana na fihetsika ety ivelany fa ao anaty. Tsy azo refesina.

195 VA 092, op cit 196 Dictionnaire le petit larousse illustré, librairie Larousse, Paris 1980, p 148 « Sonnet » : « pièce de poésie de quatorze vers composé de 2 quatrains et de deux tercets » 197 VA 053 « Eritreritra fahavaratra » 198 Dictionnaire Universel de poche, op cit, p 446 : « quatrain » : « poème ou strophe de quatre vers »

111 Ny heriko tsy sandry na basy aman-tafondro Tsy vola sesehena na harem-be mivangongo Ilay tsy azonao tsaraina, tsy hitanao refesina Ilay manana ny lanjany ka hitanao rafesina. (...)199 • Ny andinin-tononkalo manana andalana dimy na "quintil"200. Ahitana ity endrika iray ity koa ny asasoratr'i ARNi. Ao amin'ny hoe "Haza" no anehoan'i ARNi ny fihetsika ataon'ireo mpitondra ka ahazoana mitaratra ny fihetseham-po sy ny hevitry ny mpanoratra. "Dimy emboka" hoy ny Malagasy. Ny "emboka" hoy RANDRIAMIADANARIVO, dia fanajana ny masina201. Koa izany indrindra no nahatonga an'i ARNi hanontany ny mpitondra noho ny tsy fisian'ny fifanajana satria ny vahoaka no masimandidy, Moa lambo re ny tary ka hazaina Fa manimba izany voly fototr'aina Ka kary sy amboa tsy manjary Tsy ahitana vody akoho ka mankarary Izany saina te hitavana. (…) • Ny andinin-tononkalo ahitana andalana enina na "sixain"202 "Enimangamanga", hoy ny fomba tanisa rnalagasy. Manambara fientanana izany hoy RANDRIAMIADANARIVO203 Entin'ny mpanoratra io rafitra andininy io hanoherany ireo tsy mety rehetra ataon'ny mpitondra ka hanairany izay mbola sondriana. Mitady "lanitra manga" ny vahoaka ela nijaliana. Amin'ny alalan'ny feo avo no anaovan'i ARNi izany araka ny hita ao amin'ny "HAIKA" (...) Avelao aho hihiaka Eny hikiaka ny fandavako Ireo tsindry izay mangeja Ity nofo mikakonka 199 VA 087 « Ny heriko » 200 Dictionnaire Larousse Encyclopédique : Librairie, volume 8, Paris vie 1963, p 951 201 RANDRIAMIADANARIVO : Isa ny amontana, Ed Saholy, Antananarivo, 1975, tak 77 202 Dictionnaire HACHETTE encyclopédique, Ed Illustré, HACHETTE Livre, 43 quai de Grenelle, Paris 2001, p 1503 « sizaine » : « strophe de six vers » 203 RANDRIAMIADANARIVO : Isa ny amontana, op cit, tak 19 Sasatra nivenjivenjy Mitsindrotsindroka ny ho eny..204. (…) • Ny andinin-tononkalo ahitana andalana fito na "septain"205 dia entin'ny mpanoratra hangatahana fanampiana na famonjena amin'Andriamanitra. Ny isa fito dia masina. Isa mitovy ny fe-potoana nahariany izao tontolo izao. Ao amin'ny "Haika" no anehoan'ny mpanoratra fa afaka manampy ny olona Andriamanitra. (...) Tompo ô! Midina, tongava ka zahao Ireto ondry mitalaho, mivesatra ny Ziogan’ny ota tsy nataony... Meteza avia, ry Tompo, malakia Iaino ny fiainany, sotroy ny rivotra iainany Dia ho tsapanao fa mihoatra noho ny heviny Ny atambesatra ao an-tsorony (...)206 • Ny andinin-tononkalo ahitana andalana valo na “huitain"207 dia entin'i ARNi milaza fa tsara mandrakariva ny manao soa, ka tadidin'ny olona foana na dia maty aza. Ao amin'ny hoe maty ve ny velona" no ahitana izany. Fa ho velona ny maty Raha maty izay navelany Rindran-kanto avy ao anaty Tsimok'aina ho an’ny felany Ny asa soa ho an'ny taranaka Drafi-paika ho an'ny maro Sy ho tombontsoa fiaro. • Ireo andinin-tononkalo mihoatra ny valo ny andalana mirafitra ao aminy dia vokatry ny fihetseham-po sy ny fibosesiky ny hevitra ka tsy voatapatapuka intsony.

204 VA 055 « Haika » 205 Dictionnaire HACHETTE encyclopédique, Ed Illustré, HACHETTE Livre, 43 quai de Grenelle, Paris 2001, p 1483 « Septain » : « poème ou strophe de sept vers » 206 VA 078, op cit 207 Dictionnaire HACHETTE encyclopédique, op cit, p 786 : « huitain » : « pièce de poésie de huit vers »

113 Ohatra : ny tononkalo mitondra ny lohateny hoe: “Aminao”208 dia misy andininy ahitana andalana sivy. Ao anatin'izany no iangavian'i ARNi ireo manam-pahaizana, hanampy ireo madinika amin'ny tolona ataony mba handravana ny Fanjakan'olom-bitsy ka handraisan'ny vahoaka ny Fanjakana. Ao amin'ny tononkalo "tantara"209 koa dia misy andininy ahitana andalany folo. Ao no ilazan'ny mpanoratra fa tsy izay asandratra ho ambony akory dia nitolona avokoa. Amin'izany koa no iangaviana mba hipoiran'ireo tantara tany aloha handraisan'ireo mpitondra aty aoriana anatra sy torohevitra amin'ny hitondrana ny firenena. Mbola misy koa ny ahitana andalana iraika ambinifolo ny andininy iray izay mampiseho ny fihatsarambelatsihy, ny fanaronana ny tena marina ataon'ny olona sasany. Ny toetra amboamboarina no asehony fa tsy ilay tena maha izy azy. Ao amin'ny tononkalo “… ody ifandovana"210 no ampibaribarian'i ARNi izany. Ao ihany koa ny andininy ahitana andalana telo ambinifolo. Tamin’ny alalan'izany no anateran'i ARNi fa mitaraina ny tany noho ny afitsok'ireo mpitondra izay maka ny zavatsarobidy ao aminy na ny ety ambony na ny ao an-kibony. Ny tononkalo mitondra nv lohatenv hoe “AKO”211 no mirakitra izany ao amin'ny andininy fahatelo. Ny andininy misy andalana dimy ambinifolo mirafitra ho andalana iray dia amin'ny tononkalo "Andriamanitra fitiavana”212 izay itantaran'i mpanoratra ny fahabadoan'ny olona manoloana ny teny tsara lahatra entin'ireo milaza ho mpitory teny kanefa manao izay hambaboana ny fon'ny vahoaka. Ao amin'ny andininy faharoa no ahitana izany. Ankoatra izany, narafitr'i ARNi ho andininy iray ny andalana fito ambinifolo anehoany ny asan'ireo fahavalom-pirenena nahazo toerana sy ny fihetseham-pony manoloana izany. Ao amin'ny "Rivo-doza", ka ny andininy faharoa no anambarany izany toe- javatra mampalahelo izany. Mbola fanehoana ny alahelo koa no ambaran'i ARNi amin'ity andinin-tononkalo misy andalana valo ambinifolo ity. Alahelo noho ny nandravan'ny sasany ireo trano rakitry ny ela itoeran'ny fahatsiarovana, ka tsy nisy niangana na dia kely aza. Ny

208 VA 023, op cit 209 VA 039 « tantara » 210 VA 056 « … ody ifandovana » 211 VA 018, op cit 212 VA 079 « Andriamanitra fitiavana » tononkalo mitondra ny lohateny hoe "ilay rakotra vovonana”213 no mirakitra izany ao amin'ny andininy voalohany.

3.2- Ireo tononkalo ahitana andininy tsy mitovy ny isana andalana Ny tononkalon'i ARNi, dia ahitana io endrika io. Maromaro izy ireo, fa izay tena miavaka no hasongadina eto. Ny tononkalo ahitana andininy dimy sy roa: Andalana dimy no mandrafitra ny andininy iray ary andalana roa kosa amin'ny andininy iray: - Ao amin'ny andininy misy andalana dimy no iresahan'ny mpanoratra ny zava-mianjady amin'ny vahoaka - Ao amin'ny andininy misy andalany roa kosa no ahitana ny setrin'izany. Ohatra ao amin'ny "vahoaka" ka ny andininy fahatelo sy fahefatra. (…) Raha ny vahoaka no mitroatra: efa ela nohosena sy mivoky fisotriana voan'nv tsindry hazolena sy mifiaka fijaliana

efa ela nozanahana ka mitaky fahafahana... (…) • Ny tononkalo ahitana andalany enina sy efatra Andalany enina no mandrafitra ny andininy iray izay milaza ny zava-misy: andalana efatra kosa no mamorona ny andininy faharoa izay milaza ny akon'io zava- misy io. Ao amin'ny "tovovavintsika" no ahitana izany ka ny andininy faharoa sy fahatelo:

(...) soa ianao raha kanto

213 VA 082 « Ilay rakotra vovonana »

115 Tsara ianao ka tiany Hirifany ho hita Hirifany ho azo Hirifany fanafana Ny fotoana fiseranany...

K'ilay bika soa milenoka Hirifanao fïhinana Toerana voatokana Handalovan'ny mpiavy... (...) • Ny tononkalo ahitana andalana iray sy telo. Ny andininy voalohany izay tsy ahitana afa-tsy andalana iray dia manontany noho ny tsy finoana na ny tsy fihaikena ny zava-misy. Ny andininy faharoa indray, dia toa fandavana ny zava-misy, izay misy andalana telo. Amin'izany no anehoan'ny mpanoratra ny alahelony ka iantsoany ny Tompo. Ao amin'ny "HAIKA” ka ny andininy voalohany sy ny faharoa, no ahitana izany. Tompo ô! Nahoana ny ratsy indray no ambinina?...

Sao re tsy rariny f'ireo midini-dra mamokatra ny taniny no tonga mitakiky tsy afaka mianoka amin 'ny tambin-kerin-tsandriny (…) • Ao koa ny tononkalo ahitana andininy maro nefa tsy mitovy avokoa ny isana andalana ao. Ity karazana iray ity dia maro ao amin'ny asasoratr'i ARNi. Iray amin'ireny ity aseho eto ity: - Ny andininy voalohany dia misy andalana iraika ambinifolo izay milaza fa mila ny hery sy ny fahaizan’ireo tanora no ivoahana amin’ny fahoriana. - Ny andininy faharoa, misy andalana sivy dia milaza fa ny tolona ataon’ireo manam-pahaizana no andrasan’ireo madinika efa ela niforetana. - Ny andininy fahatelo, misy andalana efatra ambinifolo dia manentana sy mamporisika ireo vato nasondrotry ny tany hanampy tosika ny tolona ataon’ireo vahoaka madinika hahazoany ny Fanjakana eo am- pelatanan’ny vitsy an’isa. Hita izany ao amin’ny “Aminao”214.

• Ny tononkalo tsy raiki-drafitra Hita ao amin'ny asasoratr'i ARNi koa ny tononkalo tsy raiki-drafitra. Izany hoe tsy misy andininy miavaka fa tonga dia bambaray. Mbola ny fibosesehan'ny fihetseham-po teo ampanehoan-kevitra no mahatonga izany endrika izany. Ohatra amin'izany ny hoe "tady" Kororoka ampombon' ny sandry lany hery hitady sisin-daona hamanana trano anaty tafolanitra no indro mampitombo ary koa manery ny mpanofa vary hikatsaka nahandro anaty erik'andro... Ny vava mihabetsaka An-tsisin-dalambe No manery anao handrampy” hikaro-pamoloana mandavan 'ny fotoana sitrany ahay ho ranona sosoa ho ody am-bavafon’ ity saina valalanina. Mampihetsi-po ny mpanoratra ny fahitany ireo madinika eo am-pitadiavana sakafo. Tsy nasiany andininy mihitsy ny fanoratany ny toe-javatra tsapany. Isan'ny mampiavaka ny mpanoratra ny fandrafetany tononkalo manana andalana valo ambinifolo ny andininy iray. Tsy vitan'izay ihany, fa ao koa ny isan'ny andalana mirafitra ho andininy izay afaka manome ny zava-misy sy ny vokany. Mbola azo anakarana ny hevitra tian'ny mpanoratra hambara sy ahafantarana ny

214 VA 023, op cit

117 fihetseham-pony koa ny fampiasana mari-piatoana.

4- Ny mari-piatoana Ahitana mari-potoana ny asasoratra rehetra. Tsy afa-mihataka amin'izany ny tononkalo. Izany no ahafahana mamantatra ny fihetseham-pon’ny mpanoratra teo am- pandrafetana ny asany, ary koa hahalalana na ahatakarana ny ventin-kevitra tiany hampitaina. Mampiasa ireny mari-piatoana ireny i ARNi any anatin'ny asasorany: teboka telo, tsoraka, baraingo...

4.1- Ny fampiasana teboka telo: Fitaovana entin'ny mpanoratra mampita hevitra ny teboka telo. Misy ny mampiasa azy eny amin'ny lohateny, ao ny mampiasa azy eny anelanelana andalana, betsaka ireo mampiasa azy eny amparana andalana. Tsy ambaka amin'izany koa i ARNi.

• Fampiasana teboka telo amin'ny lohateny: Mampiasa io endrika io ny mpanoratra eto. Teboka telo mialoha ny teny na andian-teny eo amin'ny lohateny. Ohatra ny lohateny hoe "...ve?" \ Ny tiany hambara amin'io dia mety ho toy izao: - Na heverin'ny mpanoratra fa efa mahalala ny toe-javatra nosoratany ny rehetra ka famantarana fotsiny sisa no ataony. - Na te hampandray anjara ny mpamaky amin'ny alalan'ny famakiana ny tononkalo manontolo ny mpanoratra ka irery voalohany no andrasana hameno ny teboka telo. - Na tsy ho ary ho voasoratra eo avokoa ny teny na andian-teny eo alohan'ny "ve" ka nosoloany teboka telo. Ao amin'ny tononkalo, mantsy, ao amin'ny andininy 1, 3, 5, 6 eo amin'ny andalana voalohany, no ahitana ny "ve" izay ialohavana teny na andian-teny. Sarotra amin'ny mpanoratra no haka ny iray amin'izy ireo hatao lohateny ka dia naleony natao hoe "...ve?" izany. Tsapa amin'izany ny fahaizana sy fahakingan'ny mpanoratra mifantina lohateny. Ohatra ihany koa, ny hoe "...ody ifandovana”215 Tsy ho fantatry ny mpamaky avy hatrany ny teny nasolo ny teboka telo raha tsy mahavaky ny asasoratra manontolo izy. Noho izany, azo heverina fa ny fampandraisana anjara ny mpamaky no nanaovany ny teboka telo mba hiasa saina ka tsy hamanam- bonona fotsiny ity farany. Ankoatra izany, ahitana teboka telo ihany koa aorian'ny teny eo amin'ny lohateny. Ohatra: “injay…”216 Ao amin’io tononkalo io, isaka ny andininy dia ahitana ny teny hoe "injay" eo amin'ny andalana voalohany ary misy teny samihafa manaraka azy eo (amin'ny andalana voalohany ihany). Sarotra ho an'i ARNi ny hifidy iray amin'izy ireo hatao lohateny. Noho izany dia nosoloany teboka telo. Tsapa amin'izany ihany koa ny fahakingan'ny mpanoratra amin'ny fanomezana lohateny. Hita taratra ilay toe-tsaina tsy tia manavakavaka na miangatra; Toy izany koa ny hoe "Te...!?”217 Ao amin'ny isana andininy dia misy ny hoe "te" avokoa, ary misy teny na andian-teny manaraka azy. Ahitana andininy dimy io tononkalo io. Sarotra amin'i ARNi ny haka ny hoe "te hatory ny andro", kanefa misy ny hoe "te hifoha ny alina" eo amin'ny andininy 1 sy 2. Noho izany, nafohezina hoe "Te... " fotsiny, ka ny mpamaky no manohy azy arakaraka izay tiany sy tsapany tao anaty asasoratra. Ahatsapana ny fahaizan'i ARNi manome lohatenina asasoratra izany. Mbola ahitana endrika toy izao koa ny lohateny: (...!...)218 Mijanona ho ankamantatra ny lohateny eto. Heverina fa ny mpanoratra irery ihany no mahafantatra ny hevitr’io mari-piatoana io. Rehefa mamaky tsara ny asasoratra, anefa, dia mahatsapa toe-javatra toy izao: - Ao amin'ny andininy 1 sy 2 dia maneho ny herin’ny vahoaka i ARNi - Ao amin'ny andininy fahatelo kosa dia ny fananarana ny mpitondra amin'ny tokony hataony no asehon'ny mpanoratra. Noho izany, na ny vahoaka na ny mpitondra dia tokony hisaintsaina mandrakariva ny fihetsika ataony. Izany hoe nataon’i ARNi hampisaintsaina ny lohateny miendrika toy io (...!...) Fampiasana teboka telo anelanelana andalana:

215 VA 056 « … ody ifandovana » 216 VA 097 « injay » 217 VA 086 « Te… ! ? » 218 VA 096, op cit

119 Ao anaty andalana iray dia ahitana teboka telo. Ny hevitr'izany dia mety ho toy izao: - Na mibosesika loatra ny hevitra na teny tokony holazan’ny mpanoratra teo am-panoratana ka hadino ny teny sasany - Na tena fanahy inian’ny mpanoratra mihitsy mba handraisan'ny mpamaky anjara amin’izay mety ho teny nasolony ny teboka. - Na nataony mihitsy ho fisaintsainana, hanehoana fihetseham-po (fahanginana). Ohatra ao amin'ny “ady” dia ahitana andalana toy izao eo amin’ny andininy 5, andalana faharoa “efa leon’ny kiakiaka… drodroky ny antso vonjy”. Ny teboka telo eto dia anehoan'ny mpanoratra ny fihetsehampony noho ny zava-manjo ireo olona efa fadiranovana ny tahotra. Mbbla maro ny teny tokony (hambarany kanefa tapaka noho ny fibosesehan'ny tiany hambara. Ohaîra iray ihany koa ao amin'ny "mamofompofom-paty!" dîa ahitana andalana toy izao eo amin'ny andininy farany. “Meteza ianao hi…hafy”. Andaniny, mampiseho ny fihetseham-pon’ny mpanoratra ny fitiavan-tena asehon’ireo vitsy ka toa tapaka tampoka ny tiany hambara. Ankilany toa mampiomana sahady ny vahoaka hiatrika ny vokatr’izany. Ohatra koa ao amin'ny “...ve?" eo amin'ny andininy 4 andalana 3, ahitana, toy izao. ”eo ny toe-karena ... toe-tsaina koa manavy” Mbola te hilaza zavatra maro momba ny toe-karena ny mpanoratra nefa voafetran'ny halavana andalana. Hany ka teboka telo no nanoloana izany. Nataon’ny mpanoratra hisarihana ny sain'ny mpamaky hifantoka amin'ny tsy fandehanan'ny toe-karem-pirenena koa ny teboka telo eto. Toa te hiteny izy hoe: diniho ny toe-karena. Ankoatra izay, dia misy koa ireo teboka telo amparana andalana

Fampiasana teboka telo amparana andalana Maro ireo asasoratra nosoratan'i ARNi ahitana io teboka telo am-parana andalana io. Ny antony nanaovana izany dia heverinay fa: - Na mbola mitohy ny tiana holazaina fa voafetran'ny rafitra andalana, - Na hiandrasana ny mpamaky hanohy azy, - Na hanehoana fihetseham-po. Ohatra ao amin'ny "Aminao"219, eo amin'ny andalana farany ao amin'ny andininy faharoa. “efa taona folo izay…” Tsapa eto fa mbola mitohy ny tiany ambara fa nosoloany teboka telo izany mba hotohizan'ny mpamaky araka izay heveriny fa mety atao eo. Toa mitaona ny mpamaky izy hitodika ny folo taona lasa ka handinika ny zava-nisy Ohatra ihany koa ao amin'ny “Hitoetra”220 dia ahitana io teboka telo amparana andalana io ny andininy 1, 2, 3 eo amin'ny andalana farany. "hitoetra hatrany ho hataka..." and 1 "hanidina ho rivotra. .." and 2 "longoa mitoto-bazaka..." and 3 Misy fanginana tsapa eto. Fanginana miharo fihetseham-po vokatry ny tsy fahatanterahan'ny zavatra nampanantenain'ireo milaza fa mpitory teny. Ny teboka telo no anehoan'i ARNi izany. Hita taratra eto fa hain'ny mpanoratra ny mampiasa ireo teboka lelo eo amin'ny fanehoan-kevitra sy eo amin'ny fandrafetana ny kanto. Mbola mampiasa tsoraka ihany koa anefa, izy.

4.2- Fampiasana tsoraka Maneho ny fihetseham-po ny fisian'ny tsoraka ao anaty asasoratra. Mbola ahitana fampiasana tsoraka koa ao amin'ny tononkalon'i ARNi. Ohatra ao amin'ny "sivana": andininy 1, andalany 2 dia ahitana toy izao. (…) “litera vitsy: enina!” (…) Ahatsapana ny fihetsehampon'ny mpanoratra ny tsoraka eto satria litera vitsy monja dia manan-kery hanavaka sy hanaovana tsinotsinona ny hafa. Hita taratra amin'izany ny alahelon'ny mpanoratra. Ohatra ihany koa ao amin'ny "Boloky". Manelanelana ny andininy ny tsoraka. Ahatarafana ny alahelon'ny mpanoratra noho ny fahanginan'ireo solombavambahoaka manoloana ny zava-misy. Sady malahelo izy no mangoraka ireo

219 VA 023 « Aminao » op cit 220 VA 070, op cit

121 sokajin'olona ireo. Ohatra koa ao amin'ny « mamofompofom-paty » dia ahitana tsoraka roa mifanesy izay tena mampisongadina ny fonjan'ny fihetseham-po noho ny alahelo mafy dia mafy vokatry ny ataon’ireo mpitondra. Ao amin'ny andininy faha 3 sy 5 ary amin'ny farana andalana no ahitana izany. (…) “katrana nafafy…!!” “mpitsentsitra vahoaka, mpivaro-tanindrazana!!...” Tsy tana intsony ny alahelo ary mafonja satria ny fanampiana rehetra dia tsy tonga any amin'ny vahoaka; ny tanindrazana mbola namidy. Ampiarahana amin'ny teboka telo izany hanehoany fa tena malahelo izy. Ao amin'ny hoe "Dada a!" dia ahitana io tsoraka roa mifanesy io na ny tsoraka tokana. Saika ny farana andalana amin'ny andininy tsirairay no misy azy. Maneho fihetseham-po vokatry ny hetraketraky ny tany sy ny mponina manodidina ny tsoraka amin'izany. Heverina fa mpanoratra efa manana ny maha-izy azy i ARNi amin'ny fampiasany ireny mari-piatoana samihafa ireny. Mbola ahitana fampiasana baraingo koa aza ny asasorany.

4.3- Fampiasana baraingo Mitaky valiny amin'izay iantefany ny fisian'ny baraingo. Ny mpamaky indrindra no sarihina hamaly izany. Maneho fihetseham-po ihany koa izy. Ahitana izany fisiana baraingo izany ao amin'ny tononkalon'i ARNi. • Any amin'ny lohateny i ARNi dia efa manontany. Ny mpamaky no iantefan'ny fanontaniana, ary antenaina hamaly izany. Izany hoe fampandraisana anjara ny mpamaky tanteraka ny fampiasana baraingo. Ohatra: “…ve?”221 Rehefa avy mamaky ny tononkalo ny mpamaky dia afaka manome ny valiny: na tena sondriana sy variana tokoa izy, na tsy te hahalala tsotra izao ny zava-misy iainany. Anehoan'ny mpanoratra ny fihetseham-pony koa ny baraingo vokatry ny fahitany ny toe-javatra toy itony. Ohatra koa ao amin'ny "hatraiza?" Mbola anehoan'ny mpanoratra ny tsy faharetany intsony koa eto ny fampiasana

221 VA 013, op cit baraingo dia vokatry ny fahelan'ny valiny nandrasana. Entiny miombona miaraka amin'ny mpamaky koa io izay efa sasa-miandry ny fampanantenana nataon'ireo mpitondra ary efa nizaka ny mavesatra hatramin'izay. Ny baraingo izany eto dia fampandraisana anjara ny mpamaky hamaky ny asasoratra, ary hanome ny valiny any aminy, ary koa nataon'ny mpanoratra hiara- miombona fihetseham-po amin'izay mamaky ny asasoratra. • Ahitana baraingo koa any am-parana andalana. Nataon'ny mpanoratra handraisan'ny mpamaky anjara bebe kokoa, ihany koa io endrika iray io. Ohatra eo amin'ny “Ilay maraina”222 dia ahitana baraingo avokoa eo amin'ny andalana am-parana andininy.izay anehoan'ny mpanoratra ny tsy fisian'ny fanantenana ao aminy noho ny toe-java-misy iainany. Manontany izy fa tsy manantena fiovana. Anjaran'ny mpamaky koa ny mamaly izany raha toa ka anisan'ny voakasika ao anatin'izany izy na tsia. • Ankoatra izay dia ahitana fiarahana tsoraka sy baraingo koa ao anaty tononkalo. Sady fanontaniana no maneho fihetseham-po. Hita ao avokoa na ny teboka telo na ny tsoraka, na ny baraingo. Eto dia mifangaro ao na ny fanginana na ny fanontaniana na ny fihetseham-po. Maneho ny manjo ny olona eo amin’ny fiatrehana ny fiainana. Asehon'ny mpanoratra amin'izany ny fahaizany mifehy ireo mari-piatoana samihafa. Ohatra iray koa ao amin'ny "Boloky", andininy farany, andalana farany dia ahitana fiarahan'ny tsoraka sy baraingo ary teboka telo. ”anaty...!?” Sady manontany ny mpanoratra no mamela ny mpamaky hanohy ny teny: Izany hoe mampandray anjara bebe kokoa ny mpamaky hameno ny teboka telo no miandry izay ho valin-teny avy aminy. Fantatra avy amin'izany àry fa mahay mampiasa ny mari-potoana i ARNi entiny maneho hevitra sy manamafy ny fihetseham-po entin'ny hevitra ireny. Heverina fa ho moramora kokoa ny mahazo ny tiany hambara noho ny fampiasany izany. Tsy misy latsa-danja akory ireo mari-piatoana ireo: mifameno, mifanohana ary mahamora ny fanakaran-kevitra sy fahafantarana ny fihetseham-pon'ny mpanoratra na faly, na malahelo, na tezitra... Tsy azo hadinoana koa, anefa, fa zava-dehibe amin'ny fampitan-kevitra ny bika

222 VA 060 « Ilay maraina »

123 amana endriky ny tononkalo. 5- Bika amana endriky ny tononkalo: Toy ny zavatra rehetra, dia manana ny bika amana endrika nandrafetana azy ny tononkalo. Avy amin'izany ihany koa no ahatakarana haingana ny hevitra tiany havohitra: ao ny tononkalo manana endrika tsotra (klasika), ao ny miendrika kisarisary.

5.1. Ny tononkalo manana endrika tsotra na klasika. Ny tononkalo manana endrika tsotra dia ireo tononkalo mirindra, mahitsy no fahitana ny isana andininy. Mety ho lava izy na mety ho fohy. Toy izao ny endrika sy ny bikany raha aseho an-tsary.

Ny tononkalo manana endrika tsotra dia entin'i ARNi manambara ny zava-misy iainan'ny vahoaka andavanandro izay toa efa mahazatra ny miaina azy. Ohatra ny hoe ”Tampi-maso”223 izay anehoan'ny mpanoratra ireo tetika sy fomba samihafa fanaon’ireo mpandredri-bahoaka. Anehoan'i ARNi ihany koa ny fananarana sy ny torohevitra samihafa ary ny fampisaintsainana ny endrika tononkalo tsotra. Ohatra ny hoe "Asanao ", "Faniriana", "...Hono" Fantatra araka izany, raha hampiasa ireo tetika sy fomba samihafa hambaboana fo, ary hananatra, hanovo hevitra sy hampieritreritra dia ilaina milamina sy tsotra ary mirindra ny fanehoana ny hevitra. Hain’i ARNi tsar any manome endrika ny tononkalony ho tsotra amin’izay lafiny izay. Azo anehoan-kevitra tsara ny tononkalo manana endrika amam-bika tsotra (klasika). Mainka moa raha miendrika kisarisary?

5.2.Ny tononkalo miendrika kisarisary. Ataon'ny mpanoratra kisarisary matetika ny bika amana endriky ny tononkalo arakaraka ny hevitra tiany havoaka. Ao amin'ny asasoratr'i ARNi koa dia ahitana izany.

223 VA 014, op cit 5.3. Ny tononkalo manaraka endrika T Toy ny T no fijery ity tononkalo mitondra ny lohateny hoe "Ifadiana" ity. Anehoan'ny mpanoratra ny tolona atao. Azo heverina ho toy ny akanjo mihahy ihany koa, ka hita taratra amin'izany ny manjo ireo olona mankatsy mankaroa toy ny akanjo akopakopaky ny rivotra satria tsy mahatombina amin'ny tena heviny fa taomin'ny olona mankatsy dia mandeha, mankary dia tamy. Na dia efa hita izao aza fa mpamitaka ilay mpitarika dia mbola handeha hanao fitokonana ihany. Anehoan'ny mpanoratra toetran'olona tsy manan-kazondamosina. Impiry koa navadika ny feon'ny vahoaka volana kankafotra fa mbola io ianao…

5.4. Ao koa ireo tononkalo manana endrika kibasibasy. Ao amin'ny "salotra”, ohatra, dia misy ny endrika toy ny tapatapa-kazo tsy ilain'ny mpandrafitra, kanefa azon'ny ankizy lalaovina anaovana kibasibasy: tsy mahafaty fa antoandro ilay olona fotsiny ary ny tompony ihany no manao ny feony. Entin'i ARNi maneho ireo fihetsiky ny olona sasany mpihatsaravelatsihy izay toa izy tokoa, kanefa tsy izy: hafa ny asehon'ny endriny sy fihetsiny ety ivelany, hafa ny fisainany anaty, Moa ny endrika manjombona, malomaloka dia fitaratra ivelany anehoana f’ao anaty feno aloka matevina toa rahona Izay mangidy toy ny rahona Ohatra iray koa ny tononkalo "Haza" dia toy ny basy tokoa no asehony. Entin'ny mpanoratra maneho ny fihazana ireo mpitolona ataon'ireo mpitondra mba hahamari-tombina nv fitondrany. Moa lambo ve ny tary ka hazaina fa mpanimba voly fototr'aina sa kary sy amboa tsy manjary tsy ahitana vody akoho ka mankarary Izany saina te hitavana. Ao amin'ny tononkalo "Dindo"224 sy "Tarazo"225 koa dia misy endrika toy izao.

224 VA 076, op cit 225 VA 074, op cit

125 Zary mitoloko, zary mitomany ny olona nahoana? Tsisy iray miteny, tsisy mitomany gina zary moana. (ao amin'ny "Dindo") Ny vatana taolanin’ny geja izay mandazo no indro miantso tazo Handany izany hery mifofotra sy miady antenantenan’ady (ao amin'ny "tarazo") Azo heverina ho toy ny tohana na arofanina ity endrika ity. Entin'ny mpanoratra maneho fa samy maka ho azy ny mpiara-monina ary mifamandripandrika. Ao amin'ny "Dindo" dia anambaran'i ARNi fa ny lehibe manindry ny kely; ary ny madinika manao izay hahalavo ny ngeza. Izany hoe tsy misy mifampiraharaha na mifampitsabatsabaka amin'ny fïainan'ny hafa fa samy mandeha, samy mitady. Ao amin'ny "tarazo" indray no anehoan'i ARNi ny zava-misy eo amin'ny fifampitondran'ny lehibe sy ny madinika ka ny andalana lava anehoany ny zava-misy, ary ny andalana fohy ny vokany. Izany hoe mitory tsy fitoviana eo amin’ny fitondrana ny madinika sy ny ngeza. Misy ihany koa ny endrika toy izao ao amin'ny "ZO"

èVoalohany: anehoan'ny mpanoratra ny fitoviana io endrika io èFaharoa: anehoan'i ARNi koa, fa misy ny manana zo hafa hanararaotra sy hitsentsitra ireo osa ary hanao herisetra ihany koa. Toy izao ny fafana maneho ny bika amana endrik'ireo ahitana taratra ny tolona sy ny fiainan’ny vahoaka. ENDRIKY NY VONDRONA AMBARA ISANY ISAN-JATO TONONKALO ENDRIKA TSOTRA 3-12-14-15-22-23-26-29-34- 26 44,83% (klasika) 38-53-55-56-62-63-64-66- 68-73-75-78-79-80-86-87-99 ENDRIKA KISARY 5-8-11-13-18-27-28-30-31- 32 55,17% 39-40-44-54-57-58-59-60- 69-70-74-76-82-85-88-89- 90-91-92-93-95-96-97 TOTALINY 58 100%

Maneho ny isan'ireo tononkalo araka ny bika aman’endrin’ny fafana. Mitovitovy ny isany fa manantombo enina fotsiny ireo tononkalo manana endrika kisary. Azo sintonina amin’izany fa olon'ny fandanjalanjana i ARNi satria manao asa tsy mitanila loatra. Heverina fa izany toetrany izany koa no mahatonga azy hikatsaka ny fitoviana. Araka ny hita tery aloha, ny bika amana endriky ny tononkalo dia efa manampy be dia be amin'ny ventin-kevitra tian'ny mpanoratra hampitaina amin'ny mpamaky : na tsotra izy na miendrika kisary. Endrika mampiavaka ny tononkalo ny fananany toetra toy itony: sady mora vakina no mahasarika, kanefa ny ventin-kevitra ao anatiny tsy miova. Fohy na lava izy, saingy voafintina amin'ny andalana na ny andininy ny hevitra tiany lazaina. Milaza izany R. ZANAMIHOATRA : "izay hita ho mavesa-danja indrindra ny tononkalon’ny poeta miohatra amin’nv lohateny tsotra, dia noho izy mahasolo zavatra maro amin'ny fomba mifintina: toa horonan-tsary mivaha ny nahiny ao an-tsaina “226. Tsy izay voalaza izay ihany no mampiavaka ny tononkalo fa ao koa ny rima.

6. Ny rima Mampiavaka ny tononkalo amin'ny asasoratra rehetra ny rima. Nisy fotoana teo amin'ny tantaran'ny asasoratra nitaky ny fisian'izany. Noheverina ho tsy tononkalo raha tsy misy rima. Fototry ny maha-poezia ny poezia izy. Hoy i Jupiter manantitra izany: "Ity rima ity no iankinan'ny maha-poezia ny poezia, ka izay tena poezia tsara mendrika izany anarana izany, dia tsy maintsy miezaka mitandrina izy satria ny rima no fototry ny poezia227. Ahitana rima ny tononkalon’i ARNi. Nampiasainy avokoa ny karazana rima

226 R. ZANAMIHOATRA : op cit, teny mialoha 227 RAINIZANABOLOLONA, Lesona tsotsotra momba ny fianarana poezia amin’ny teny malagasy, Imprimerie FFMA, Faravohitra, Antananarivo, 1914, tak 1

127 misy : na eo amin'ny laharam-pisehoany, na eo amin'ny hafenoany. 6.1- Ny rima araka ny laharam-pisehoany Misy karazany efatra ny rima raha ny laharam-pisehoany no asian-teny: - ny rima mifanjohy - ny rima mifaningotra - ny rima malalaka

• Ny rima mifanjohy: Mifanjohy ny rima raha miendrika toy izao: aa bb. Ohatra ao amin ny tononkalo "«rivo-doza” andininy faharoa Ry rivo-dozan’herisetra fahavalom-pirenena a tsy nitsitsy na nitsetrta ireo vahoaka miosarena a mankahala anao ireo ka mivonona sy miantsy b tsy hitomany na hitoreo fa kosa hamokon-tsandry b Anehoan'i ARNi ny tolona hataony ho valin’ny fanimbana samihafa nataon’ireo mpitondra io. Mifanjohy ny ataon’ny mpitondra sy ny vahoaka ka izay ataon’ny voalohany dia valian’ny farany foana. Ohatra iray koa ny tononkalo hoe “Faniriana”228. Iriko, ialahy, ry Zo, mba hiara-dalana amiko hanafoana ireo taraina ety an-tany izay indramiko noho ny afitsok’i saranga mampitombo isa tsingala mba hamitoka ny saina, hifampifofo, hifankahala Entin’ny mpanoratra maneho ny faniriany hampiasa ny zo hampitovy ny olona rehetra ny rima mifanjohy eto, ka handrava ny tsy fitoviana. Fantatra eto fa, ny rima mifanjohy amin'ny ankapobeny dia ilazan’ny mpanoratra ny tolona ataony ho valin’ny fihetsika ataon’ireo mpitondra sy ny namany.

• Ny rima mifaningotra Miendrika ab ab: anehoan'ny mpanoratra fifaningoran-javatra. Ao amin'ny tononkalo ”Iny, hono, izy” ”Iny, hono, izy Ranofïko izany a Ento manaraka anao any an-koatra b Fa ny fahavaloko manenjika hatrany a

228 VA 015, op cit Tsy takany intsony fa toa mafy loatra b (…) Ao amin'ny “Dindo”, ohatra, dia ahitana rima mifaningotra ihany koa. Andininy 3 (…) Ny didin’ny matanjaka manana ny heriny a lavo ka tsindrio b Ny akony amin’ny asa miaina anaty feriny a avo ka fandriho b (…) Eo amin’ity asasoratra ity no ilazan i ARNi fa tsy afa-misaraka amin'ny fiainan'olombelona ny fifamandrimpandrihana eo amin’ny samy olona. Toa toe-javatra mifaningotra no iainana ka tsy misy ho afa-maina foana na hiala moramora eo amin’ny fiainam-piarahamonina.

• rima malalaka Ny rima malalaka dia ny asasoratra tsy miady rima. Hita ao anatin'ny tononkalon'i ARNi koa izany. Nataony izany noho izay te hiaina amin'ny fahafahana. Nolazain'ny mpandinika sasany toa an-dry ch. RAJOELISOLO. JJ RABEARIVELO, ary ny Avana RAMANANTOANINA fa ny poezia no tena zavatra poetika, fa ny fingadona sy ny rima dia toy ny lamba atafy azy fotsiny.229 Koa dia mampiasa rima malalaka i ARNi. Ohatra ao amin'ny "Fikitra". Tsy lakolosim-paty no henoko Fa anjombon’ny mpiantafika Fambara loza mitatao Ho anao mikatsa-pahafahana Ao anaty filaminana.230 Toy ny miresaka tsotra aman'olona ny mpanoratra. Ny fiovana an-dàlana no mahatonga ny endriny ho toy ny tononkalo. Ohatra koa ao amin'ny hoe “Tontolo” (…) Tontolo zary moana

229 (Ch) RAJOELISOLO : Ny fandrosoam-baovao, N°5, 2 Septembre 1931 230 VA 073 « Fikitra »

129 sy mihidy vazana no miandry anao mpandala higoka ny mafaitran’ ny fiainany voaozon’ ny toetranao fofoiny ka maso roa mivandraka sy rantsana mitraky no andraisany anao -ho jinjainy!!- (…)231 Milaza i ARNi amin’ity asasoratra iray fa tontolo tsy mamindra fo no hovantanin’ireo taranaka sy ireo mpivahiny ka mety hahafaty mihitsy na handringana azy ireo. Toa miresaka sy mamosaka ny heviny fotsiny izy eto amin’ity rima malalaka ity.

6.2. Ny rima araka ny hafenoany Karazany telo no fampiasan'ny mpanoratra: ny rima tsy feno, ny rima feno, ary ny rima feno mihoatra.

• Ny rima tsy feno Ny rima tsy feno dia ny zana-peo mitondra ny ngadona farany isana andalana no mitovy. Hita izany ohatra, ao amin'ny tononkalo "mbola hiady" Ady atsy, ady aroa Ady anaty, ady Zo Zon’ny miaina no katsahina Bala, baomba no ifandripahana. Eto dia manambara i ARNi fa: ady ny fiainana: ka na misy aza ny fikatsahana ny fandriampahalemana dia vao mainka misy foana ny ady. Izany hoe feno ady foana ny fiainana kanefa misy ny mampiasa fitaovana mahery vaika hamotehana ny hafa. Ohatra koa ao amin'ny "Ny heriko". Ny heriko tsy sandry na basy aman-tafondro Tsy vola sesehena na harem-be mivangongo

231 VA 080, op cit Ilay tsy azonao tsaraina, tsy hainao refesina Ilay manana ny lanjany ka hitanao rafesina. (…)232 Asehon'ny mpanoratra amin'izany fa tsy ny fitaovana ety ivelany no handrefesana ny hery fa ny ao anaty ao. • Ny rima feno Rima feno izy raha mitovy avokoa ny vanin-teny rehetra manomboka eo amin'ny zana-peo mitondra ny ngadona tarany. Ohatra ny tononkalo hoe "Tampimaso" (...) Toky fitaka, hono,fa ny atao no hita Ka kajio ny famindra raha tiana ho tafita Sao sodokan-drendrarendra 'zay mamarina amin'ny tevana Ka finaritra mipetraka ami 'nv seza mitsingevana. (....)233 Amin'io tononkalo io no anaran'i ARNi ireo mpiara-mitolona mba tsy ho babon'ireo sokajin'olona sasany izay manao ny tsy hampahomby ny tolona ka manambitamby ireo mpitolona marivo salosana. Ohatra koa ny tononkalo "Faniriana" (…) Eny, iriko, ialahy, ry Zo, mba hamerina indray ilay mamy-fahendrena-nananantsika fahizay dia ilay tia firaisan-kina sy mandala fihavanana Fa tsy hanao sakaiza patsa sy ho ory hava-manana (...)234 Miantso ny Zo ananany eto i ARNi mba hamerina amin'ny laoniny ny zavatra rehetra tsy nandeha araka ny tokony ho izy, noho ny nafitsok'ireo sarangan'olona tia tena.

• Ny rima feno mihoatra Rima feno mihoatra izy raha mitovy ny feo rehetra ao amin'ny vanin-teny mialoha ny zana-peo mitondra ny ngadona farany sy ny vanin-teny aoriany. Hita izany

232 VA 087, op cit 233 VA 014, op cit 234 VA 015, op cit

131 ao amin'ny "Ilay maraina" (...) Moa ilay maraina andrandraina Ireto maso mihandrohandro Mbola ho andro be taraina Tsy ahitana ilay nahandro?235 Asehon'ny mpanoratra amin'izany fa miankina amin'ny ampitso ny fanantenan'ny madinika. Ampitso izay mbola ankamantatra ka mahatonga an’i ARNi hanontany eto. Samy hita ao amin'ny asasoratr'i ARNi avokoa ireo rima fampiasan'ny mpanoratra. Ny rima feno, anefa, no tena misongadina ary ampiasainy betsaka. Toa te hilaza izany fa mikatsaka ny hafenoana ny mpanoratra. Izany no mahatonga azy hitolona mandrakariva hanohitra.ny tsy fttoviana sy ny tsindrihazolena ary ny fitsentsefana ny madinika mba tsy hisy ny hananam-be sy ny tsy manana mihitsy fa mba hitovitovy (samy feno). Natao hahakanto ny tononkalo ny fisian'ny rima. Ilàna ihany koa mba hampientanentana ny fo sy ny saina ny ngadona.

7- Ny ngadona Misy karazany telo ny fahita amin'ny tonokalo malagasy. Ahitana izany koa ny asasoratr'i ARNi

• Ny lila "Troché" no anarany amin'ny teny vahiny. ┴U no endrika isehoany. Ao amin'ny tononkalo "angamba" no hijerentsika izany. Mbola ho avy ilay maraina Hoy aho taminao Fony izaho be taraina Mïtoloko mitalaho236 Hita eto fa mety tsara ny ngadona "lila" Anehoan’i ARNi fanantenana eto ny ngadona ”lila”. Fanantenana fa mbola hisy ny fisavan’ny taraina.

235 VA 060, op cit 236 VA 044 « Angamba » • Ny ralila "Amphibraque" no ilazana azy amin'ny teny vahiny. Mitsaikona kosa no niantsoan'i Jupiter azy237. U┴U no endrika isehoany. Ao amin'ny tononkalo "hihira aho" no hahitana azy. izaho tsy maintsy mihira ireo mahantra ‘zay mandry tapa-kibo, indraindray aza mandry fotsy Izaho tsy maintsy mihira ireo izay tsisy mpiantra ireo olona manjeny matory an-tsisin-tosy238 Misy andalana efatra ireo. Eo amin'ny andalana 2, 3, 4 no misy ngadona hafa tafiditra.  Eo amin'ny andalana faharoa ahitana ┴U: lila  Eo amin'ny andalana 3 ahitana ┴U: lila ihany koa noho ny fampiasaina ny teny hoe tsisy  Eo amin'ny andalana 4 ahitana ┴UU: fampiasain’ny misionera tany amin’ny tononkora239.  Eo amin’ny andalana 6 ahitana UU┴: anapeste (fampiasan’ny misionera sy ny mpianany amin'ny tononkira. Tsapa eto fa ataon’ny mpanoratra hirahira mihitsy ny manjo ireo madinika.tsy malefaka izy amin’izany fa tena maneho ny zava-misy ary mamaly ny mpitondra mihitsy: “izaho tsy maintsy mihira”.

• Ny taralila Fampiasan'ny Malagasy manokana ity taralila ity UU┴U no fisehony : mitaralila mitaraindraina. Ny Avana RAMANANTOANINA no tena nahafantarana azy ao amin'ny tonokalony hoe: "vazon'ny lavitra". Hita ao amin'ny tononkalon'i ARNi koa io. Anehoany fitarainana amin'ny fanenjehana, fihazana atao amin'ny mpitolona .Ohatra ny hoe " haza"

Moa lambo ve ny ta ry ka ha za ina

Fa mpanimba izany vo ly fototra 'ai na

237 (J) RAINIZANABOLOLONA ; in Hiratra, n°5, tak 68 238 VA 08, op cit 239 in Hiratra, n°5, tak 68

133 Sa kary sy amboa tsy manjary

Tsy ahitana vody akoho ka mankarary;

Mitaraina tokoa ny mpanoratra eto noho ny fihazana ataon’ireo mpitondra. Manaraka izany koa ny ngadona rehefa vakina: moa lambo ve ny tany ka hazaina? Sady manontany no malahelo I ARNi. Heverin’ny mpitondra ho mpanimba zavatra ny mpitolona kanefa tsy ahazoana na inona na inona. Miteny mihitsy izy hoe: “lambo ve sa amboa sa kary ny tany?” Ampiasain’I ARNi ny ngadona taralila anehoany ny alahelony. Andalana efatra no ahitana taralila eto .Eo amin'ny andalana faharoa anefa dia ahitana lila roa ┴U ihany. Ankoatra ireo dia misy ngadona mifangaro.

• Ny ngadona mifangaro Ampiasain’ny mpanoratra miaraka ireo ngadona ireo. Ohatra ao amin'ny tononkalo "Faniriana" izay anehoan'i ARNi ny lanjan'ny zo eo amin'ny fiainana.

Aza kivy ialahy leiroa fa ao ny tsirika kalaza

Vonona hanohy ny tolona ho fanilo mpanazava

Sy handevona ho lavenona ireo kary kotofetsy

fa ny madinika miray dia hivoaka ho mpandresy240 Ahitana ngadona samihafa ny andalana tsirairay avy eto. Ny ngadona mifangaro toy io no saika hita ao amin'ny asasoratr’i ARNi rehetra. Mampiseho ny fikaliana ny asasoratra ny fahaizan'ny mpanoratra mandrafitra ireo singa maha-kanto ny tononkalo: ny andalana, ny andininy, ny fampiasana mari- potoana, ny rima, ny ngadona. Sady ahazoan'ny mpamaky fahafinaretana izany no aharaisany ihany koa ny hevitra tiana hampitaina aminy. Ny haningotra ny fon'ny mpamaky no tena kendrena amin'izany. Amin'izay dia miara-miasa ny roa tonta. Na dia teo aza ireo, misy ihany koa ireo tononkalo malala-drafitra, tsy mahafehy ny fikajiana ny isam-banin-teny sy ny rima ary ny isana andalana. Kanefa

240 VA 0115, op cit heverinay fa ny fahaizana manohina ny fihetseham-pon’ny mpamaky no tena zava- dehibe araka ny voalazan'i Ch. RAJOELISOLO hoe: "Tsy ny fahaizana fitsipika na fepetra voasoritra mialoha akory na atao hoe "manoratra", fa ny fahaizana manohina ny fihetsehampon’ny mpamaky... ”241 Araka izany, tsy dia naningana na niavaka tamin'ireo mpanoratra namany i ARNi teo amin'ny fandrafetana ny asasorany: na teo amin'ny andalana, na rima, na ny rafitra andininy, na ny ngadona... Tsy ny endrika ivelany ihany, anefa, no niangalian'ny mpanoratra fa ny teny nampiasainy sy ny sariteny koa.

241 Taterin’i (B.D) RANARISON Solohery, « Rajoelisolo Charles mpanoratra mpitarika », Hiratra n°1, tak 90

135 TOKO II: NY FILALAOVANA AMIN'NY TENY SY SARINTENY

Fototra iray lehibe mampijoro ny tononkalo ny teny. Tsy izay rehetra teny dia azo andrafetana tononkalo. Mila fanamboarana sy fiangaliana fatratra ireny voambolana ao anaty asasoratra ireny. Ilaina ny fiatahana amin'ny teny fampiasa andavanandro, noho izany. Hoy indrindra i Siméon RAJAONA nanantitra izany: Tsy avy hatrany akory dia ampiasaina ho fitaovana hamoronana zavakanto ny fiteny andavanandro fa mila fanamboarana, fiangaliana, fikajiana manokana...”242 Ndeha àry hojerentsika ny asasoratr'i ARNi ka ny voambolana nampiasainy no hodinihina mialoha raha misy mihataka amin'ny andavanandro.

1. Ny voambolana tsy mahazatra nampiasain’i ARNi Lohalaharana ny teny eo amin'ny fampijoroana asasoratra. Izy ihany koa no mitondra ny hevitra tian-kampitaina ankoatra ireo singa maro samihafa taratra eo amin'ny tononkalo. Hoy RAVELOJAONA milaza izany: "Io no toy ny fiasana ikatrohana ary miankina be aminy ny fahazavan'ny hevitra ambaran’ny mpandahatra”243 Noho izany, ilaina ny mifantina ny teny tiana halahatra hahazoana ny kanto. Ao amin'ny asasoratr'i ARNi ary dia misy ireo voambolana tsy heverin'ny mpamaky ho mahazatra kanefa hita ao toy ny: voambolana nalaina tao amin'ny baiboly, matoanteny tsy fampiasa andavanandro, anaram-biby, mpamari-toetra, sora-baventy, anarana...

1-1 Ny voambolana nalaina tao amin'ny Baiboly Milaza ny hatsaran'Andriamanitra sy ny famonjeny ny Baiboly. Izy no fiantson’ny olona amin!ny andro fahoriana. Miantso Azy koa i ARNi ao amin'ny asasorany mba hamaly ireo olom-bitsy mampahantra vahoaka. Ao amin'ny "Haika" no ahitana izany: (…) Tompo ô! Tapaho ny lelan'ireo kinga (…) Tompo ô! lemeo ny tanan'ireo zatra

242 (J) RAJAONA, Ny zava-kanto vita amin’ny teny na sarin-teny eo amin’ny fopmba filazan-javatra, Ed Ambozontany, 1973, tak 12 243 RAVELOJAONA, « Literatiora » in mpanolo-tsaina, lah 19, Jolay 1908, tak 163 (...) Tompo ô! vahao ny gadra izay mangeja (...) Tompo ô! midina, tongava ka zahao. (…)244 Ao amin'ny tononkalo "Andriamanitra fitiavana", dia lazain'i ARNi fa ampiasain'ireo olona sasany ho fandrebirebena sy fambaboana ny saim-bahoaka ny anaran'Andriamanitra ka tsy ahatakaran'izy ireo ny hevi-petsin'ireto milaza fa mpitory teny. Andriamanitra fîtiavana No hany soratra mirenty (...)

Andriamanitra fitiavana Tapa-teny iray mba reko. (…)245 Mbola ahitana ny teny hoe Tompo koa ao amin’ny tononkalo mitondra ny lohateny hoe “Toriteny” izay anehoan’ny mpanoratra fananarana kanefa tsy arahin’ny olona izany noho ny faneren’ny fiainana. Mivavaha dia manandrana Ny fiainan’Izy Tompo (…)246 Tsikaritra ao anatin'ny asasoratr'i ARNi koa ny teny hoe «Jodasy»: ilay mpamadika an'i Kristy. Ao amin'ny «mamofompofom-paty » no anehoan'ny mpanoratra fa ireo mpitondra no mpamadika ny fanekena natao. (...) Jodasy nahariana mpitondra fàhafahana Mpitsetsitra vahoaka, mpivaro-tanindrazana247. Mbola ao amin'io asasoratra io koa no ahitana ny voambolana hoe « Mana », ilay sakafon'ny Israely tany an'efitra nomen'Andriamanitra azy. Sakafo tsy nisasarana fa nangonina fotsiny. Dia toy izanv koa no filazan'i ARNi azy : tsy hita izay nasian'ny mpitondra ireo

244 VA 078, op cit 245 VA 079, op cit 246 VA 040 « Toriteny » 247 VA 088, op cit

137 fanampiana nomen'ny firenen-kafa fa nohanin'ny mpitondra sy ny namany ka ny vahoaka no notereny hihafy. (...) Ny « mana avy any an-danitra » tsy fahita hatramin'izay katrana nafafy... !! …Setriny ? Meteza ianao hi-hafy... Ankoatra ny teny ao amin'ny Baiboly, ampiasain'i ARNi koa ny matoanteny tsy dia fandre na fampiasa firy amin'ny teny Malagasy ofisialy.

1.2. Ny matoanteny Hafa noho ny matoanteny mahazatra antsika ity ampiasan'i ARNi eto ity. Tsy dia mahazatra ny sofina ny mandre azy. Mpamari-toetra milaza loko no tovonana mi- ka nahazoana ny hoe : "mimena", na "rnimavo". Ampiasain'ny mpanoratra ny hoe "mimena" hisolo toerana ny hoe "lasa mena" na "manjary mena" na "tonga mena". Ohatra ao amin'ny"tantara": (…) Moa ireo olon-tsesehena Izay nandatsaka ny rany Dia nimena izato tany (...) Ny mena dia loko mirehitra, lokon’ny hafanam-po. Lokon’ny ra ihany koa anefa. Betsaka ny ra latsaka matoa men any tany. Ireo tia tanindrazna, ireo mahery fo no niady ho an’ny fanafahana io tany io. Nameno ny tany ny rany. Kanefa aty aoriana dia toa olom-bitsy no mahazo tombotsoa amin’izany toe-javatra izany. Toy izany koa ny hoe "nimavo" nisolo toerana ny hoe "ho lasa mavo", na "ho tonga mavo", na "hanjary mavo". (...) Ndeha tabao izay nandry Himavo indray ty rano (…)248

Ny mavo dia lokon’ny fahantrana, lokon’ny fikobanana. Rehefa mavo ny rano

248 VA 039, op cit dia tsy hita ny tena vontoatin-javatra. Toy izany koa eto : rehefa tabaina ny zava-nisy tany aloha dia tongan y fisafotofotoana sy ny savorovoro. Tonga ny fitsingilahilan’ny mpitondra. Maniraka i ARNi eto hoe : « Tabao izay nandry ». Ao amin'io tononkalo io no ilazan'i ARNi fa tokony hahafantatra ireo tantara nisy tany aloha ny mpitondra ahazoany manatsara ny fitondrany sy izay tokony hotandremany amin'ny zava-misy ankehitriny sy ho avy araka ny tenin- dRAINANDRIAMAMPANDRY hoe : "Izay mahalala marimarina ny tantaran'ny taranaka teo aloha dia mahalala ny toetry ny ankehitriny sy ny hoavy koa”249. Matetika dia ny fitenim-paritra no andrenesana ireo fiteny ireo. Izany hoe mampiasa ireny koa i ARNi mba hahakanto ny asasorany. Azo lazaina fa olona mivelatra eo amin'ny lafiny fiteny izy. Ankoatra izay, dia hita ao anaty asasoratr’i ARNi koa ny matoanteny hoe : mangaika, mandrampy, mailia izay tsy dia fandre andavanandro. Ny hoe "mangaika" dia midika hoe miantso. Fitenim-paritra izy io. Ao amin'ny tononkalo "Ako" no ahitana azy. Io asasoratra io no anehoan'ny mpanoratra ny zava- manjo ny tany noho ny fandrobana azy ataon'ireo olom-bitsy. Reko injany any ho any Feo manako tsy miato, mitomany Miantso ahy, mangaika anao. (…)250 Ao amin'ny "tady" kosa no ahitana ny voambolana hoe "mandrampy". Mitady na mikaroka no heviny. Ny fahasahiranana eo amin'ny fitadiavan-tsakafo no avohitran’i ARNi ao amin'io tononkalo io: (...) No manery anao handrampy Hïkaro-pamoloana (…)251 Ny hoe "maitia" kosa dia hita ao amin'ny "Haika", izay midika hoe "avia na manatona"252 araka ny filazan-dRajemisa R. RAOLISON azy. Ao anatin'io asasoratra io no iangavian'i ARNi ny Tompo mba hiaina ny fiainan'ny olona, hahatsapany ny ngidin'ny fahoriana mahazo ireo madinika ka hanafahany azy ireo amin'izany. (...)

249 RAINANDRIAMAMPANDRY, Tantara sy fomban-drazana, tak 19 250 VA 018, op cit 251 VA 022, op cit 252 R.A RAOLISON, op cit, tal 560

139 ry Tompo, maitia fa efa an-tenda ny ainy an-tany hay marina itolomany. Raha ireo voalaza ireo no asian-teny, ny mpanoratra dia mpitahiry ireo voambolana fampiasa fahiny ary tsy mamela azy ireny ho faty na dia toa hadinon'ny taranaka aty aoriana aza. Ankoatra izay, mampiasa anaram-biby koa i ARNi :

1-3- Ny fampiasana anaram-biby Maro ireo karazam-biby tsikaritra ao anaty asasoratra toy ny : kary, piso, saka, voalavo, boloky, tsingala, kongona, amboa, lambo. Entin'i ARNI ilazana toetran'olona ireo biby ireo. Izany hoe fanafiana ny toetr'ireo biby ireo ny toetran'ilay olona resahina.

• Ao amin'ny tononkalo "... Ve ?" sy "Rivo-doza", ny kary sy ny piso no ampiasain'ny mpanoratra hilazany ny toetr'ireo olona mpitsetsitra, mpanao afera, mpanao varo-maizina. Ny kary dia piso dia: any an’ala no fonenany. Tsy sahy miseho miharihary ary mangalatra ny zavatr’olona ompiany, fetsifetsy ratsy. Ny piso indray dia ny ao an-trano no alainy sy haniny: mpangala- pihinana. Samy mpangalatra fetsy avokoa noho izany na ny kary na ny piso. (...) Teo ny rivo-doza nitondra risoriso Nanjaka teo rakary, velona rapiso. (...) Toy izany koa ny "rivo-doza" (...) Tonga ianao nanavatsava sy nivimbin-drisoriso Ka nahay nanaron-tava tsy ho kary na ho piso (…) • Asehon’ny mpanoratra ao amin'ny "Haza" indray fa ny saka dia dia ireo mpitsikilo na ireo mpitolona. Ny voalavo dia ireo mpitsentsitra, ireo mpandrava ny najoro, ireo mpandroba fananana. (...) Ve haizaina aloha ny saka tsy hanjaka Ifalian'ny voalavo ho tompon-daka. (...) • Mbola ao amin'ny "Haza" ihany no ahitana ny hoe : " amboa sy lambo izay anondroan'i ARNi ireo mpitolona ihany. Heverin'ireo mpitondra sy ny mpiray donakafo aminy mantsy fa mpanelingelina ireo sokajin'olona ireo ka omena anarana hoe amboa na lambo ary mendrika ny hohazaina. Moa lambo ve ny tary ka hazaina ? (...) Sa kary sy amboa tsy manjary (…) • Ny boloky dia ilazan'ny mpanoratra ireo solombavambahoaka izay mpitatitra ny hetahetam-bahoaka ary koa manao ny tatitra avy any amin'ny mpitondra. Tsy mba manana tsangan-kevitra fa mpanara-drian-drano. Ny tononkalo hoe "Hangina ny boloky" dia mampiseho ny tahotr’ireo solon-tenam-bahoaka ireo manoloana ny mpitondra jadona ka tsy tanterany ny asa nampiandraiketana azy. Hangina ny boloky Hangina tsy hiteny (...) Hangina ny boloky Minia manapa-dela (...) Hangina ny boloky Hangina tsy hivolana (...) Hangina ny boloky Hangina tsv hilaza (…) • Mampiasa ny voambolana hoe "tsingala'' koa ny mpanoratra ao amin'ny tononkalo "Tampi-maso". Ny tsingala moa dia bibikely any anaty rano ka mahafaty ny olona na ny biby izay misotro ny rano misy azy. Fomban'ireo mpitondra koa ny manala ny tahotra sy ny tsy fahatokiana ao amin’ny olona tiany ho babo ka atao izay handresena lahatra azy. Ireny tahotra sy tebiteby ary ny fiahiahiana ireny no lazain'i ARNi fa tsingala ato amin'ny asasorany. (...) Ka baboiny aloha ny fo, hahalao ireo tsingala (...)

141 • Ny kongona dia bibikely mivelona amin'ny omby na kisoa. Mifikitra mafy eny amin'ny hoditr'ireny biby ireny izy. Toy izany koa ny fahitan'i ARNi ireo mahantra izay mamikitra tsy mety miala eo am-panariam-pako mba hitadiavany hanina. Ao amin'ny tononkalo hoe "Tontolo "no ahitana izany. (...) Mitsindroka eny ho eny Mamikitra toa kongona Am-panariam-pako (…)253 Hita araka izany, fa hain'ny mpanoratra ny mampiasa ireo anaram-biby ireo hanoharana ny fihetsika ataon'ny olona na sokajin'olona. Mbola tsikaritra ao anaty asasorany ihany koa, anefa, ny mpamaritra lokon-javatra ilazana anarana.

1.4. Fampiasana mpamaritra loko ilazana anarana Ny loko no entin'i ARNi anondroana sokajin'olona ao amin'ny asasorany. Ohatra ny hoe "mavo", anondroan'i ARNi ireo olona mahantra, ireo olona osa, ireo olona voatsentsitra. Izany hoe ireo mpitrongy vao homana. Hita izany ohatra, ao amin'ny "Faniriana". (...) Fa tsy ialahy no atao fitaovana entina mirehareha Anitsahana ireo mavo amin'ny lalana aleha (...) Ohatra koa ao amin'ny "Hatraiza" (…) Ny kely eo an-tanan'ireo mavomavo Tsetsefin'ny mpanana miharihary. (...) Toy izany koa ny loko mena, anondroan'i ARNi ireo sokajin'olona eo amin'ny fitondrana tamin'izany fotoana izany. Hita eo amin'ny "Mamofompofom-paty". Mamofom-paty ilay mena midorehitra (...)

253 VA 080, op cit Mamofompofom-paty ilay mena midorehitra. Mbola tetika iray entina maneho hevitra ihany koa, eo amin'ny sehatry ny asasoratra ny fampiasana sora-baventy.

1.5. Ny fampiasana sora-baventy Ny sora-baventy dia mora hita. Natao ho fampahafantarana, natao ho fampitandremana. na fandrarana. Ahitana izany ao amin'ny "Aminao" Hanampy tosika Ilay fioirany mangina HANDRAY NY FANJAKANA254. Asehon'i ARNi amin'ny sora-baventy eto ny tanjona kendrena. Abaribariny mba ho fanairana ny mpamaky. Izany hoe, avahana amin'ny andalana rehetra mba halaky ho tsikaritry ny mpamaky ka hahafantarany fa io no tanjona. Asehon'i ARNi ao amin'ny "ALIKA MASIAKA" fa ny sora-baventy dia natao ho fampahafantarana ary fandraràna. Tsy ahafahan'ny besinimaro miditra fa lala- malalaka ho an'ireo ngeza mpanao risoriso. ALIKA MASIAKA No takela-mirenty (…) TSY MANDRAY KOLIKOLY No sora-fahita mameno birao (…)255 Hita taratra tokoa ny fahaizan'ny mpanoratra mampivohitra avy hatrany amin’ny alalan'ny sora-baventy ny ventin-kevitra tiany hampitaina. Tsapa ny hakingany sy ny fisian'ny talenta ao aminy. Mbola mampiasa anarana koa ny mpanoratra.

254 VA 023, op cit 255 VA 095, op cit

143 1.6. Ny fampiasana anarana Tsy dia manavao antsika ny teny hoe "tary" izay ampiasain'i ARNi ihany koa. Ny hoe tary dia namana, mpiara-mitolona, akama, mpiara-dia... Ny olona efa mifankazatra tsara no mifampiantso amin'io teny io. Tsy vao taty aoriana, anefa, io fa anarana iombonana niforona nandritra ny vanim-potoana nitoloman'ny vahoaka madinika. Izany hoe anarana fampiasan'ny madinika mitolona. Ao amin'ny tononkalo hoe "Haza" no anehoan'i ARNi fa ny "tary" dia ireo olona mpitolona, ireo olona mitovitovy tanjona aminy ka hazain'ireo mpitondra. Moa lambo ve ny tary ka hazaina (...) Ao amin'ny "Hatraiza", ny "tary" dia ireo mpitolona, ireo vahoaka maro voan'ny tsindrihazolena.

(...) Hatraiza ny fetran'ny tsindrio fa lavo Ao mbola miaritra ihany ny tary (…) Ahatsapana ny hakingan'ny mpanoratra ny fampiasany ireo voambolana nifampiantsoan'ny madinika mandritra ny vanim-potoana nisian'ny tolona. Manaitra ny sain'ny mpamaky sady mampifantoka azy bebe kokoa amin'ny asasoratra ny fahitany izany. Noho izany miampy ny fahalianany hamaky tononkalo. Tsy ny voambolana ampiasaina ihany no ahafahana maneho hevitra sy ny kanto ao amin'ny asasoratra, fa ao dia ao koa ny sarinteny.

2- Ny sarinteny Ny fomba filazan-javatra ao amin'ny asasoratra no tiana holazaina amin'izany. Mahakanto ny tononkalo ny fisian'ireo sarinteny ao anatiny. Io no maha-poezia ny poezia. Tetika fampiasan'ny mpanoratra ahazoany mambabo ny fon'ny mpamaky sy hampitany hevitra amin'ny fomba miavaka ny sarinteny. Mitana toerana lehibe eo amin'ny fampijoroana asasoratra, noho izany, ny sarinteny satria "(...) anisan'ny maha-zava-kanto ny asasoratra (...)"256, araka ny filazan'i Siméon RAJAONA.

256 (S) RAJAONA, Ny zava-kanto vita amin’ny teny, op cit, tak 12 Ahitana izany sarinteny izany koa ny tononkalon'i ARNi. Misy ny sarinteny miorina amin'ny tamberin-javatra, ao ny sarinteny miorina amin'ny fanovana endri- javatra, tsy hadinoina koa, anefa ireo sarinteny hafa.

2-1- Ny sarinteny miorina amin'ny tamberin-javatra Sarinteny miorina amin'ny tamberin-javatra no mateti-pitranga ao amin'ny asasoratr'i ARNi : - Misy ny tamberim-peo - Ao koa ny tamberin-boanteny na tamberina andalana. • Ny tamberim-peo dia fiverimberenan'ny feo, ao anaty teny, na andian-teny, na andalana, na andininy. Misy karazany roa io : - Ny tamberin-drenifeo - Ny tamberin-janapeo. • Ny tamberin-drenifeo na "Allitération" "Amin’ny heviny ety, sarinteny azo avy amin'ny tamberin-drenifeo tokana na mifanakaiky (,..)"257 Ohatra ao amin'ny "Salotra" dia ahitana fiverimberenan'ny feo |f| intsivy ao anaty andalana efatra (…) ve ny sefo sy ny fendro tsy hafaliana famefena izany heloka tsy fanjariana fa ny ao anaty sy ny fo mibitabitaka k’ilay salova-mitoreo no zary fitaka (…)258 Ny renifeo tsy migoboka, anify, amolotra |f| no miharihary eto. Toy ny feon'ny rivotra: mandalo sy mihelina. Mandoko ny fihetseham-pon’ny mpanoratra mieritreritra sy mandinika ny toetran’olombelona izay tafiany toetra hafa hamitahana ny mpiarabelona aminy. Toa asehon'i ARNI fa mandalo sy miserana toy ny rivotra io toetra isalorana io ka tsy ho ela dia ho fantatry ny mpiara-monina.

• Ny tamberin-janapeo na "assonance".

257 (S) RAJAONA, op cit, tak 24 258 VA 058, op cit

145 Ny tamberin-janapeo dia sarinteny azo amin'ny fiverimberenan'ny zanapeo iray eo anatin'ny teny na fehezanteny na andalana na andininy. - Ny zanapeo |a| Izy no zanapeo misokatra indrindra. Miverimberina ao amin'ny tononkalo "Haika", andininy 3 : (...) Avelao aho mba hidradra Hihoraka hivazavaza Hanaitra saina izay rendremana Matihenam-piforetana Mitrongy homan-toa kisoa Efa an-dalam-pahalevonana. Ny zanapeo |a| dia manamarika fifaliana, fihomehezana. Mariky ny fidradradradrana, fitomaniana, fïjaliana koa anefa. Eto izany izy dia maneho ny fihetseham-pon'ny mpanoratra te hihiaka mafy, hidradradradra manoloana ireo fahoriana mahazo ny olona eo amin'ny fiaraha-monina. - Ny zana-peo |i| Izy no zana-peo mikatona indrindra. Hita ao amin'ny "Aminao" ny fiverimberenany. (…) Vohoky ny hoavy Fanoitry ny tantara Antoka fanefitry ny aretina mandoza Mikiky sy mitsentsitra Ny herin’ny madinika Miongy sy midïnitra Mitady fanavotana (…) Ny zanapeo |i| mikatona dia milaza fikombonana, fihafiana, fijaliana. Anehoan'ny mpanoratra ny fihetseham-pony manoloana ny fangejana ataon'ireo mpitondra hany ka mitokiky, migeja, tsy afa-mivelatra ireo madinika.

- Ny zana-peo |o| Zana-peo misokatra tapany. Hita ao amin'ny tononkalo "injay..." andininy 2. Ny lakolako no vonto ny foko ngolingoly Toa manotohoto ty saiko volivoly. (…)259 Miverimberina matetika eto ny zanapeo |o| anehoan'ny mpanoratra ny alahelony sy ny fitolokoany noho ny hanina ilay akany nahafoizana satria ataon'ireo vitsy an'isa ampihi-mamba ilay tanàna soa fahizay. Mamolivoly azy ny fahatsiarovana. Tsy mijanona eo amin'ny tamberin-peo fotsiny ny mpanoratra, fa mampiasa ny tamberim-boanteny na tamberina andalana ihany koa.

• Ny tamberim-boanteny sy andalana mifanesy: Ahitana betsaka ireo sarinteny ireo ny asasoratr’i ARNi. Natao hanantitranterana sy ho fanamafisana ny tiany hasongadina izany mba ho mora tsapan'ny mpamaky. - Ny anaphore : "Tamberim-boanteny na tamberin'andian-teny andoham-pehezanteny, na andohan'andalana, andohan'andininy mifanesy”260 Miseho amin'ny endrika telo izy ireo ato amin'ny asasoratr'i ARNi dia ny : - "anaphore" mahaleo tena (andohan'andininy) - "anaphore" sy lohateny - "anaphore" andohan'andalana mifanesy.

• Ny "anaphore" mahaleo tena Ny fiandohan'andininy no miverina isaky ny andininy. Nentin'ny mpanoratra hanantitranterana hevitra amam-pihetseham-po. Ohatra ao amin'ny tononkalo "Haika". Tompo ô! (…) Ry Tompo ô! (…) Tompo ô! (…)

259 VA 097 « Injay… » 260 (S) RAJAONA, op cit, tak 31

147 Tompo ô! (…) Tompo ô! (…) Tompo ô! (…) Tompo ô! (…) Tompo ô! (…)261 Anehoan’ny mpanoratra ny fihetseham-pony mikasika ny herin’Andriamanitra ny “anaphore” eto, dia ilay herin’Andriamanitra nahavonjy izay matoky Azy. HIta taratra ny fibosesehan’ny fihetseham-po miantso ny anarana hoe “Tompo”. Manantitrantitra mihitsy i ARNi eto fa afaka mihaino sy mamonjy azy io Andriamanitra io. Ao amin’ny tononkalo “Ifadiana” dia nentin’ny mpanoratra manantintrantitra ny fampisaintsainana ny olona ny “anaphore”. Impiry (…) Impiry (…) Impiry (…) Dia Impiry (…) Dia Impiry (…) Dia Impiry (…) Na Impiry impiry (…) Na Impiry impiry (…)262

261 VA 035 « Ampitiavana » 262 VA 092, op cit Ny "anaphore" eto dia anehoan'ny mpanoratra ny fibosesehan'ny fihetseham- pony manoloana ireo olona tsy mandinika loatra ny tokony hataony ka sady ampisaintsaininy no toa latsainy. Antitranteriny mihitsy izany amin’ny famerimberenany ny teny hoe : impiry, dia impiry, na impiry impiry. Mihamafonja hatrany ny teny entin’i ARNi mananatra sy miteny ireny olona ireny. Amin’ny andininy 3 voalohany dia “impiry” no nampisainy. Nampiany “dia” izany amin’ny andininy 3 manaraka, ary nataony mafonja izay amin’ny andininy 2 farany ka nataony hoe: Na impiry impiry: miverina indroa ny “impiry”.

• Ny anaphore sy lohateny Ny lohateny ihany no fiandonan ny andininy eto. Fanantitanteran-kevitra sy fihetseham-po ihany koa no nanaovan’ny mpanoratra azy. Ohatra ao amin'ny "Ho inonao". Ho inonao... (...) Ho inonao... (...) Ho inonao... (...) Ho inonao... (...) Ho inonao... (...) Ho inonao... . (...) Ho inonao... (...) Ho inonao... (…)263 Miverina imbalo eto ny "ho inonao". Anehoan'ny mpanoratra ny alahelony noho ny tsy firaharahan'ny olona ireo madinika. Anantitranterany koa fa tsy kivy izy ireo na dia tsy ampian'ireo manodidina aza.

263 VA 086 « Ho inonao »

149 Ohatra koa ny hoe "Asanao" Asanao ... (...) Asanao ... (...) Asanao ... (…)264 Anehoan'ny mpanoratra ny alahelony koa ny "anaphore" eto noho ny tsy fiezahan'ireo vahoaka madinika hioitra amin'ny fahavoazany. Antitranteriny amin'izany koa ny fampisaintsainana sy fampieritreretana azy ireo fa tsy hionona fotsiny amin'io toerana misy azy ireo io amin'ny alalan'ny famerimberenany ny hoe "asanao".

• Ny "anaphore" isana andalana Manaitra avy hatrany ny fisian'ity sarinteny ity. Manantitrantitra ny fihetseham-po sy ny hevitra mibosesika ao an-tsaina ka lasa mitanisa. Ohatra ao amin'ny "tontolo iainako". Tontolo ... . Tontolo... Tontolo ... Tontolo ... Tontolo ... (…)265 Mitory ny fihetseham-pon'ny mpanoratra vokatry ny fahatsapany fa tsy misy fahafinaretana intsony ny tontolo misy azy. Antitranteriny mihitsy ny filazany izany mba hampisokatra ny sain'ny olona hijery akaiky tokoa ny zava-misy. Toy izao ny fafana maneho ny isan'ireo tononkalo ahitana « anaphore » ao amin'ny asasoratr'i ARNi. Izay mahakasika ny fiainana eo amin’ny fiarahamonina sy ny tolona.

264 VA 039, op cit 265 VA 089, op cit Karazana anaphore Vondrona ambara Isany Isan-jato anaphore mahaleo tena 08-23-27-30-31-34- 15 53,58% 44-53-54-55-59-64- 78-85-92 anaphore sy lohateny 12-26-63-66-69-75- 11 39,28% 79-80-86-87-88 anaphore isana andalana 89-99 02 07,14% 28 100%

Fafana 06 Ny antsasany latsaka kely amin'ny asasoratr’i ARNi dia saika ahitana ny sarinteny "anaphore" avokoa. - Eto dia ny endrika anaphore sy lohateny no tena betsaka satria mahatratra 53,58% n'ireo tononkalo ahitana "anaphore. - Ny "anaphore'' mahaleo tena kosa dia mahatratra ny 39,28% izany hoe tsy dia latsan-danja loatra. Tsapa fa nampiasain'ny mpanoratra ihany koa. - Ny "anaphore" isana andalana no vitsy indrindra satria 7,14% ireo tononkalo ahitana "anaphore''.

• Ny anadiplose Ny anadiplose dia sarinteny azo avy amin'ny "tamberim-boateny na andianteny amparam-pehezanteny na amparana andalana sy an-doham-pehezanteny na andohana andalana mifanesy, ary tsy miova ny hevitr'ilay teny amin’io izy miverina io »266 Ao amin'ny "hihira aho" ohatra Izaho tsy maintsy mihira, mihira ireo mahantra Ny anadiplose eto dia anehoan'ny mpanoratra ny fihetseharn-pony mipololotra tsy hay tanana vokatry ny fahitany ny manjo ireo mahantra. Antitranteriny mihitsy eto ny hoe "mihira" mba hanako any amin'ny mpamaky hahafantarany izany. ”Hitoetra” (...) longoa mitoto-bozaka Ho longoa mitoto-bozaka

Ny "anadiplose" eto, dia nentin’ny mpanoratra anantitranterin-kevitra fa

266 (S) RAJAONA, op cit, tak 29

151 fandrika, fitaka avokoa ny teny ataon’ireo mpitondra teny sy ireo mpanao ronono an- tavy, ka tsy misy fampiharana, tsy iainana. Ankoatra ny tamberim-peo sy ny tamberim-boanteny ary ny tamberina andalana dia mampiasa ny sarinteny miorina amin'ny fanovana endri-javatra koa ny mpanoratra.

2.2. Ny sarinteny miorina amin'ny fanovana endri-javatra Anisan'ny sarinteny tena ampiasain'i ARNi koa ny fanovana endri-javatra. Io no tena ahafantarana ny fahaizan’ny mpanoratra satria izy no "mpanjakan'ny sarinteny”267 araka ny voalazan'i (M) LE GUERN. Misy ny fanovana endri-javatra azo avy amin'ny : • Fampitoviana ny oharina sy ny anoharana • Fanafoanana ny oharina • Fanafiana toetry ny anoharana ny oharina Hojerentsika tsirairay ireo : - Fampitoviana ny oharina sy ny anoharana: Mifanatrika tsara eto ny oharina sy ny anoharana na dia tsy misy teny mampitovy azy aza toy ny "toy", "tahaka", na "no". Ohatra ao amin'ny "Boloky” Tsy hoe boloky ianao anoharana oharina tsy trondro an-drano koa anoharana (…)268 Oharina amin'ny boloky eto ilay vehivavy. Ny fanovana endri-javatra eto dia nentin'ny mpanoratra manamaivana na mampifintina ny filazan-javatra, kanefa ny hevitra mihamafonja. Mafonja toy izany koa ny fihetseham-po

• Fanovana endri-javatra azo avy amin'ny fanafoanana ny oharina. Ny anoharana no mibaribary eto fa ny oharina tsy misy na tsy miseho eo amin'ny asasoratra. Ohatra ao amin'ny "boloky" ihany

267 (M) LE GUERN : Sémantique de lamétaphore et de la métonimie, coll. Langue et langage, Larousse, Université, Paris 1972 p 7. « La métaphore ; cette reine de figure » 268 VA 068, op cit Hangina ny boloky (ireo mpitondra teny) anoharana Hangina tsy hiteny (...) Ny boloky dia vorona. Mpamerin-teny sy mpanao tsian-jery fotsiny. Tsy mahay milaza teny hafa ankoatra ny teny asaina lazainy. Dia toy izany koa no ilazan’ny mpanoratra eto ny toetran’ireo olona mpitondra teny: mamerin-teny fotsiny ary manaiky. Tsy afa-miady hevitra. Tsy mivandravandra eto ny oharina. Na izany aza dia oharin'ny mpanoratra amin'ny boloky ireo olona ireo. Maivana ny filazany azy kanefa mafonja ny hevitra entiny.

• Fanovana endri-javatra azo avy amin'ny fifamaritan’ny anoharana sy ny oharina. Ny toetry ny anoharana no toetry ny oharina fa ny fanovana endri-javatra ataon'ny mpanoratra no toa manalefaka ny hevitra fonosiny. Ohatra ao amin'ny tononkalo "Rivo-doza".

Ry rivo-dozan’ny herisetra fahavalom-pirenena Anoharana oharina (...) Toy ny rivo-doza ireo fahavalom-pirenena : ny toetra sy ny asan'ny rivo-doza no toetra sy asan'ireo sokajin'olona ireo. Izany hoe fintinin'ny mpanoratra ny filazany ny haratsian'ny ireo fahavalom-pirenena ireo. Hevitra sy fihetseham-po toa mifintina kanefa mahery vaika sy mafonja. Mampifintina filazan-javatra ny fanovana endri-javatra satria hita avy hatrany ao amin’ny toetran’ny anoharana ny toetry ny oharina. Ny hevitra sy ny fihetseham-po anefa, vao mainka mafonja. Noho izany, misy ny fampandraisana anjara ny mpamaky hanakatra ny hevitra sy ny fihetseham-po ao amin'ilay teny. Tsy mionona fotsiny amin'izany fa mbola mampiasa sarinteny hafa ny mpanoratra.

153 2.3. Ireo sarinteny hafa Misy maromaro ireo sarinteny hafa mbola hita ao anaty asasoratr’i ARNi. Isan'izany, ohatra, ny "anastrophe", ny "épiphrase", ny "gradation"....

• Ny "anastrophe": "sarinteny anovana ny laharam-pisehoan'ny teny mamorona ny fehezanteny, tsy araka ny fahita andavanandro”269 ny anastrophe. Ohatra ao amin'ny "mamofompofom- paty" (...) "Ny mana avy any an-danitra " tsy fahita hatramin’izay katrana... nafafy. (...) Ny andrasana sy mahazatra dia hoe : nafafy katrana. Angamba noho ny fanenjehana rima no mahatonga ny mpanoratra hanao an'io fifamadihan-toeran'ny teny io. Heverina koa fa noho ny tsy fetezan-javatra teo amin'ny fîtondrana ka dia naleon'ny mpanoratra navadika ny filaharan'ny teny.

• Ny "anacoluthe" Sarinteny ahitana firafetam-pehezanteny tsy andrasana: Ohatra ao amin'ny "Afaka" (...) Hihaino feon'ny hafa Fa tsy "mibiby kiry". Misy fahadisoana ara-pitsipika ny firafetan'ny andian-teny. Asehon’ ARNi koa, anefa, ny hadisoan'ireo olona manao amboletra sy manao di-doha eo amin'ny fitondram-bahoaka. Izany hoe maneho zavatra tsy araka ny tokony ho izy ny "anacoluthe" eto.

• Ny "épiphrase" Sarinteny amahavahana zana-kevitra ny "épiphrase". Ohatra ao amin'ny "hihira aho" Izaho tsy maintsy mihira, mihira ireo mahantra .... Mandry tapa-kibo, ... mandry fotsy

269 (S) RAJAONA, op cit, tak 35 .... Ireo iray tsisy mpiantra ..... matory an-tsisin-tosy. (…) Ny "épiphrase" eto dia anehoan'ny mpanoratra ny fihetseham-pony mipololotra eo am-pilazana hevitra iray. Antitranteriny arnin'izany ny zava-mahazo ny atao hoe mahantra. Nataon'ny mpanoratra hanalavana ny fitenenana koa izy eto mba hampavesatra kokoa ny hevitra sy ny fihetseham-po.

• Ny inclusion : Sarinteny amerenana any am-param-pamelabelaran-kevitra ny teny, na andian- teny, na ny fehezan-teny nentina nanombohana ny asasoratra ny "inclusion". Ohatra ao amin'ny "salotra" Fa maninona ny tsiky no ihatsarana Sa ny ihatsarana ivelan-tsihy Hahatsara eo imason’ny mpitazana? (...) Fa maninona ny tsiky no ihatsarana Sa ny ihatsarana ivelan-tsihy Mba hahamarina eo imason'ny mpitazana ? Teny na andian-teny roa no nisy fiovana kely dia ny hoe tsihy niova ho tsiky ary ny hahatsara niova ho hahamarina. Ampiasain'ny mpanoratra hanantitranterana ny fihatsarambelatsihy eto ny "inclusion". Anehoany ihany koa ny fihetseham-pony manoloana ny vokatra aterak'izany fihetsika izany.

• Ny gradation Sarinteny ilazana ambaratongan-javatra izy io ka hatrany amin'ny kely no mankany amin'ny lehibe, hatrany amin'ny maivana mankany amin'ny mafonja. Ohatra ao amin'ny "tampi-maso" Ny ratsy atao hono loza mihantona Ny fiaviny mangina, mahataitra, maha-ankona. Nentin'i ARNi milaza toe-javatra mihamafy eto ny "gradation", anambarany trangan-javatra mihamafonja hatrany. Anehoany ihany koa ny fampitandremana mafy ataony amin'ireo olona sasany mety ho voafitak'ireo mpitondra.

155 FEHINY

Fototra iray maha-literatiora ny literatiora, ankoatra ny hevitra entiny, ny endrika ivelany. Tsy nanao ambanin-javatra ireny i ARNi. Hita fa manavanana azy tokoa na ny rafitra andalana, na ny rafitra andininy, na ireo endrika ivelany rehetra maha-tononkalo ny tononkalo. Tsy latsa-danja amin'izany koa ireo teny sy sarinteny nampiasainy. Mpitolona mikatsaka ny fahafahana i ARNi ary tsapa tamin'ireny asasorany ireny izany, fa tsy nifikitra loatra tamin'ny lalàna sy fitsipika mifehy ireny izy. Porofon'izany ny fisian'ny asasorany malala-drafitra. Heverinay fa rehefa tafita any amin'ny mpamaky ny hevitra ka mahataona azy ireny dia efa fahombiazana lehibe ho an'ny mpanoratra izany. Miovaova araka ny vanim-potoana koa, mantsy, ny filàn'ny isam-batan'olona: tsy mitovy tamin'ny andron-dRABEARIVELO ohatra ny fotoana nanoratan'i ARNi. kanefa mba samy mikatsaka ny kanto daholo izy ireo. TENY FAMARANANA

Ny literatiora no sehatra nirotsahanay. Ny niompanan'ny asa tamin'izany dia ny hoe : « ARNi sy ny vahoaka madinika ». Nozarainay telo ny asa: Tao amin'ny fizarana voalohany no namahavahana ny momba ny mpanoratra. Nampahafantarina tamin'izany ny mombamomba an'i ARNi: ny loharano nipoirany, ny amin'ny maha-mpanoratra azy ary ireo tarakevitra samihafa novoiziny tao anaty asa soratra. Niompana tamin'ny tolona nataon'i ARNi kosa ny fizarana faharoa. Nojerena tamin'izany ny fiainan’ireo vahoaka madinika ireo sy ny zava-mianjady taminy ary ny tolona nataon'ny mpanoratra manoloana izany toe-javatra izany. Ny fomba fanehoan-kevitry ny mpanoratra kosa no hita tao amin'ny fizarana fahatelo izay namakafakana ny endrika ivelan'ny tononkalo sy ny sarinteny samihafa nandrafetany ny asasorany. Tsapa nandritra ny fikarohana nataonay fa i ARNi dia nitolona tamin'ny tsy fahalavorariana misy eo amin'ny fiarahamonina. Nitolona tamin'ny fanavakavahana sy ny saranga. Tsy vitan’izany fa nitondra ihany koa fijery vaovao ho an'ny mpiaramonina. Nampiavaka ity lehilahy ity ny fahasahiany mitsikera sy manatsinkafona ny ataon’ireo mpitondra. Toy izany koa ny fampibaribariany ny zava-manjo ny vahoaka sy ny fanenjehana ireo mpitolona. Tsy lazaina intsony ny firotsahana an-tsehatra sy an- dalam-be handrodanana ny tsy rariny. Mbola manginy fotsiny ny hafanam-po sy nyfikirizana teo amin’ny asa sy ny andraikitra teo amin’ny fiarahamonina. Heverinay ary fa tena nilaina tokoa ny mpanoratra sy ny asasorany satria: • Mety hahatonga saina ny madinika ireny asasoratra ireny ka hiteraka risi-po sy finiavana ary fahasahiana ho azy eo amin'ny fampandrosoana ny fiainany sy ny an'ny firenena. • Mampiova ny fihetsiky ny mpitondra ka ahafahany mametraka lamina maty paika manolona ny fitondrana ny vahoaka. • Manafoana tsikelikely ny fahantrana satria afaka mampiasa ny zony ny rehetra, afaka mamokatra tsy misy teritery na fitsentsefana fa samy manana ny azy... Azo tsoahina avy amin'izany ary fa i ARNi dia: • Olona tia olona, • Olon'ny fiarahamonina,

157 • Olona mandray andraikitra, • Olo-mangan'ny firenena, • Poetan'ny madinika. • Mpitolona ho an'ny fitiavan-tanindrazana. • Maherifon'ny firenena. • Miaro ny tombontsoan'ny madinika. TOVANA TOVANA I

IREO FOTO-KEVI-DEHIBE NIFOTORAN’NY FITONDRANA TAMIN’NY REPOBLIKA FAHAROA ARAKA NY BOKY MENA Fanam arihana : Ireto voalaza manaraka ireto dia notsongaina manokana mba hifanaraka amin’ny fitsikerana nataonay tamin’ny asasoratr’i A.R.Ni fa tsy ny voalazan’ny Boky Mena manontolo.

ARA-POLITIKA

Rafitra napetraka : - Ny Sosialisma Nitsoka eran-tany ny firehan-kevitra politika izay nirona tamin’ny fitadiavana ny tombontsoan’ny sarangan’olona mahantra. Nanaraka izany ny Revolisiona Malagasy ny 16 Jona 1975; tsy inona izany fa ny Sosialisma. Tanjona tamin’izany ny fanomezana ny fitaovam-pamokarana hotantanin’ny daholobe sy hampiasain’ny rehetra. Noheverina ho antoky ny filaminana sy ny fandrosoan’ny valalabemandry natao kely tsy mba mamindro no sady lalana hampanjakana ny fandriampahalemana eran-tany izany. - Ny firaisam-pirenena Zava-dehibe eo amin’ny fampandrosoana ny firaisam-pirenena. Noho izany nentanina ny rehetra hanana toe-tsaina matotra mba : - hihevitra ny tena ho tena Malagasy - hitovian’ny ambanivohitra sy ny ambonivohitra - tsy hisian’ny saranga eo amin’ny isam-batan’olona - Ny fitsinjaram-pahefana Natao ny fitsinjaram-pahefana mba tsy hisian’ny: - fitsentsefana ny madinika - tsy rariny sy ny tsy fitovian-tsaranga - tsy fiarovana ny tombontsoan’ny vahoaka mpamokatra ka: . Ho mpanaramaso ny vahoaka . Ho raisina an-tanana ireo toerana . Ny vahoaka no mitantana ny toekarena - Ny paikady hanatanterahana izany: - Fanjakana entim-bahoaka hamongorana ny fitsentsefana ny madinika - Fitsinjarana ara-drariny ny harena sy ny famokarana - Fitsinjarana mitovy ny fianarana sy ny fanolokoloana ara-tsaina - Fandraisan’ny Fanjakana sy ny vahoaka ny fitaovana lehibe enti-mamokatra - Fanafoanana ny fanavakavahana rehetra ara-pirazanana sy ara-pinoana - Malalaka ny rehetra amin’ny antokom-pinoana arahiny…

PAIKADY POLITIKA

Politika ivelany - Notapahana ny fanekena fiaraha-miasa nifanaovana tamin’ny Frantsay tamin’ny 1960, nosoloana fifanekena ifanaovan’ny firenena roa samy mitovy zo izay natao onia ny 04 JOna 1973. - Nesorina ireo toeram-pamahan’ny tafika frantsay tao Ivato sy tany Diégo- Suarez mba hanafoanana tanteraka ny fitobian’ny firenena vahiny eto amintsika - Nialana ny politika natao hoe fiaraha-midinika amin’ny fitondrana mpanavakava-bolon-koditra tatsy Afrika Atsimo - Nilaozana ny OCAM (Firaisambe Fiaraha-miasa Afrikana Malagasy) - Nialana ny fari-bola “Franc”; natsangana ny Banky Foibe Malagasy mahaleotena - Niditra ho mpikambana tao amin’ny OUA (UA) i Madagasikara Politika eto an-toerana Politika manome lanja ny fanatanterahana ny tombontsoa karohin’ny vahoaka tambanivohitra sy ny vahoaka mpamokatra izay 85%n’ny mponina. Ireo zava-dehibe nifotorana tamin’izany: - Tolona handresena ny hanoanana, ny habadoana, ny aretina - Fanafoanana ny tsy rariny sy ny tsy fitoviana eo amin’ny fiarahamonina Paikady ara-toekarena - Fanovana ny toe-tsaina : Fananana filozofia mazava, hevitra hentitra amin’ny zava-kendrena eo amin’ny fanabeazana sy fampandrosoana: - An’ny vahoaka ny vokatry ny asany - Foanana ny fitiavan-tena - Hanome hanin-kohanina ny Malagasy - Hampivelatra ny indostria - Fahaleovan-tena - Fiezahana hahavita tena - Tsy hanantena afa-tsy ny herin’ny tena - Fanafoanana ny tsy fisian’asa, ny fisondrotry ny vidin-javatra, ny fitambotsotry ny sandam-bola sy ny tsy fahampian’ireo entana tena ilaina Fambolena sy fiompiana ary ny indrostria: - Fototra ny fambolena sy fiompiana. Ny indostria no hery manosika hanabe sy hampivelatra ny toekarena - Tsy tokony hanantena afa-tsy ny herin’ny tena - Ho an’ny tsirairay ny asa vitany Ny fananan-tany sy ny fampiasana azy: - Tsy maintsy miasa ny tany ny tompony ary mikarakara izany - Azo atao ny mamela ny tany holovain’ny taranaka raha toa ka ireo taranany no miasa ny tany ary tsy mivarotra na mampanofa azy ireny - Fananganana koperativa ivondronan’ny tantsaha Ny indostria sy ny harena an-kibon’ny tany - Fandraisana ho fananam-pirenena ireo harena samihafa teo amin’ny mpanjanantany - Fandraisana an-tanana ny akora ambanin’ny tany - Fandraisana ny indostria SECREN, SMEESEM, ny fanadiovan-tsolika Tokony hatao: - Famoronana asa vaovao - Fanomezana fahafaham-po ny mpihinana - Famolavolana drafitra hananganana indostria samihafa Fampianarana sy fanabeazana: - Famahoahana - Fampianarana ny rehetra satria maro ny zaza Malagasy - Hampifandanjana ny “taux de scolarisation” n’ny faritra tsirairay (ambanivohitra sy ambonivohitra) - Fanorenana sekoly - Fanofanana mpampianatra « Décentralisation » : - Fanaparitahana ny sekoly manerana ny Nosy : SFF, SAFF, « Lycée », Oniversite, « Lycée Technique » isam-paritany - Fanagasina - Teny hoenti-mampianatra (Malagasy iombonana)

FAMPAHALALAM-BAOVAO

- Gazety - Filazam-baovao: vaovaom-pirenena, vaovaom-paritra • Hanaitra ny vahoaka hanana fijery tsy miangatra • Hanazava amin’ireo izay voan’ny tsindry hazolena fa tokony hiray hina izy ireo hanohitra ny tsy rariny ka tsy hamela hanjaka ny adin-tsaranga sy ny adim-poko tsy mitera-bokatsoa

POLITIKA FANASOAVAM-BAHOAKA

FITSARANA - Ny fitsarana dia ampiasaina ho fitaovam-piarovana fa tsy fiasana eo am- pelatanan’ny be tombontsoa - Fitaovana fanabeazana ny valalabemandry fa tsy famaizana - Tsy atao mitarazoka ny raharaha ary tsy andraisana vola be loatra - Fananganana tribonaly manokana hitsara ny heloka ara-toekarena sy ny fandraisana tsolotra FAHASALAMANA - Saina tomady ao anatin’ny vatana salama - Manana zo ho salama ny Malagasy - Fampiofanana mpiasa - Sekoly fampianarana ho mpitsabo mpanampy - Hampitomboina is any andiana mpitsabo mpitety faritany NY ASA - Hanolotra asa mitovy na mihoatra aza - Foanana ny tsy fananana asa - Fampihenana ny elanela-karama be loatra - Fampahafantarana fa an’ny vahoaka ny revolisiona - Ny fikambanana no hery - Tohanan’ny vahoaka madinika ny revolisiona - Fanovana ny rafitry ny toekarena sy ny varotra: - Fandraisana ho fananam-pirenena ny banky sy ny fiantohana izay loharanom- bola - Fanovana ny rafitry ny banjy mba hahazoany manome ho an’ireo famokarana sosialista BFV, BTM… - Fandraisana an-tanana ny varotra ivelany - Fandraisana an-tanana ny fitaovam-pamokarana lehibe (herin’ny rano, harena an-kibon’ny tany, SECREN…) - Fanatsarana sy fampiasana ireo zavatra efa azo ampiasaina - Fanomanana sy fanefena ireo olona izay hirotsaka ao amin’ny lafim- pamokarana rehetra hatrany amin’ny fokontany ka hatramin’izay ilain’ny firenena manontolo - Atao izay ahitana vola eo amin’ny asa atao ka atao izay hampitombo ny vokatra mihoatra betsaka noho izay ilain’ny tenany - Ny fanampiana avy any ivelany dia heverina ho fanampiana fotsiny fa tsy heverina ho famenony - Ezahina ny hahavita tena eo amin’ny vokatry ny tany sy ireo entana ilaina andavanandro - Fanabeazana eo amin’ny lafim-piainana rehetra: - Mirindra ary tsy hiankin-doha amin’ny hafa - Ny tenany sy ny fianakaviany no hioty ny vokatra - Tsy miy ny zara vilana - Tanjona hotratrarina: - Handrey ny hanoanana, tsy fahaizana, ny aretina, ny tsy rarirny - Fanabeazana ara-toekarena, sosialy, koltoraly, tsy miankin-doha - Hanome fahafaham-po ny hetahetam-bahoaka dia ny fahaleovan-tena ara- toekarena, fandrosoana eo amin’ny lafim-piainana rehetra, fiadanana ho an’ny besinimaro - Fananganana fiarahamonina vaovao, hanjakan’ny rarirny sy ny hitsiny, hanafoana ny fitsentsefana ny hatsembohan’ny madinika sy ireo endrika isehoan’ny faneriterena sy fanjakazakana FITSIPIKA IFAMPIFEHEZAN’NY MPITOLONA HO AMIN’NY FANJAKAN’NY MADINIKA I. NY FIKAMBANANA And.1: Antoko politika voafehin’ny hitsivolana laharana faha 60-160 tamin’ny 3 Oktobra 1960 ary niorina teto Madagasikara tamin’ny 27 Desambra 1972, ka nekena hiasa ara-dalàna tamin’ny 14 Febroary 1973 ny MPITOLONA HO AMIN’NY FANJAKAN’NY MADINIKA, hafohezina hoe M.F.M. And.2: Nitarika ny vahoaka hanohana ny Boky Mena hisafidy ny ENY tamin’ny fitsapana ny hevi-bahoaka tamin’ny 21 Desambra 1975 ny M.F.M; - MPITOLONA HO AMIN’NY FANATANTERAHANA NY TOLOM- PIAVOTANA, hafohezina amin’ny hoe: M.F.T no anarana nentin’ny M.F. tamin’izany fampielezan-kevitra izany. And.3: Fikambanana Revôlisiônera Malagasy voafehin’ny hitsivolana laharana faha 76-000 tamin’ny 20 Martsa 1976, nekena ho ara-dalàna araka ny didim-panjakana laharana faha 77-322 tamin’ny 23 Septambra 1977 ary isan’ny Mandatehezam-pirenena miaro ny Tolom-piavotana araka ny hitsivolana laharana faha 77-055 tamin’ny 17 Septambra 1977 ny M.F.M – M.F.T. And.4: Tokana ny M.F.M-M.F.T ary tokana araka izany ny foiben-toerany: ao Antananarivo. And.5: Saina mena misy: a) Soratra : na ho Vy na ho Vato, tsy maintsy mandresy ny Vahoaka Madinika - NDAO - Foin’i Zanahary ho an’ny Vahoaka Malagasy ny Tany sy ny Fanjakana - M.F.M.-M.F.T. b) Sary : - Sary tapaka amin’ny loko mainty mampiseho olona manao fehiloha manangan-tanana havia sy mamonkina totohondry no fanevan’ny Fikambanana And.6: Mitarika sy manentana fikambanana liam-pandrosoana na komitim-piavotana na Fokonolon’ny Mpikarama miandany amin’ny Tolom-piavotana tarihin’ny Mpikarama Madinika sy Mpiasa Tany amin’ny sehatra maro samihafa ny M.F.M.- M.F.T Mandray baikom-pitolomana avy amin’ny M.F.M.-M.F.T. ireny fikambanana ireny araka ny ambaratongam-pifehezana tandrify azy avy. II. NY FOTO-KEVITRA And.7: Ny M.F.M.-M.F.T. dia: - Mitarika ny adin-tsaranga - Handrodana ny fanandevozana sy ny taingim-bozona ary ny fanapepoana ataon’ny mpangoron-karena vahiny sy ny farasisan’ny fanjakan’andriana; - Hamonotra ny fototra iorenan’ny tsy fitovian-tsaranga nateraky ny fanjakan’ny mpangoron-karena sy ny fanjakan’andriana * Manangana fanjakana mitandro ny fahaleovantenam-pirenena sy fiharian-karena tsy miankin-doha ary fiaraha-monina fehezin’ny mpikarama madinika sy mpiasa tany miavo-tena eto Madagasikara; ny fanorenana fiharian-karena iombonana fehezin’ny mpiasa no anisan’ny fiasana anatanterahana izany. * Manohitra ny fanjakazakan’ny mpangoron-karena eran-tany ary manohana ny tolom- piavotam-pirenena ataon’ny vahoaka liam-pivoarana. * Miandany amin’ny tolon’ny mpikarama madinika sy mpiasa tany eran’izao tontolo izao, hananganana fanjakana sy fiharian-karena fehezin’ny Vahoaka Madinika. III. NY MPIKAMBANA And.8: Tsy maintsy mankatoa ny baikom-pitolomana sady mahatakatra ny fampiharana ny foto-kevitra eo amin’ny asam-pitolomana amin’ny fiainana andavanandro ny mpikambana. Manao asam-pitolomana takian’ny foto-kevitra sy ny fisehoan-javatra ary miara- mihosina amin’ny vahoaka hatrany ny mpikambana. And.9: Olona efa voasedra tao amin’ny fikambanana liam-pandrosoana na komitim- piavotana na Fokonolon’ny mpikarama, ary efa zatra ny fifanitsiana sy fifampitsarana eo amin’ny asam-pitolomana no azo raisina ho mpikambana, araka izao fepetra izao: * Ny fivoriamben’ny Fototra no mitsara ny mpilatsaka ho mpikambana vaovao. Ny mpitarika ny Fototra miaraka amin’ny mpikambana roa mijoro ho mpiantoka no manolotra azy eo amin’ny fivoriambe. And.10: Mandray fanakianana sy mitsara tena ny mpikambana hanitsiana ny fifandirana eo amin’ny asam-pitolomana. And.11: Roahina tsy ho mpikambana izay manao hadisoana lehibe eo amin’ny tolona sy ny fikambanana. Raiketina ao amin’ny bokin’ny fikambanana ny fandroahana ny mpikambana ary ampahafantarina ny ambaratongam-pifehezana araka izay ilàna azy. Ny fivoriamben’ny Fototra sy ny mpitarika eo amin’ny TOKO no mahazo mitsara ny mpikambana voapanga eo amin’ny Fototra sy manao famaizana aminy. Sahala amin’izany hatrany isaka ny ambaratongam-pitondrana. And.12: Ampiharina ny famaizana aorian’ny fanamolahana ny voapanga na aorian’ny fihenahenany tsy mamaly ny fiampangana azy. And.13: Ny latsakemboka aloan’ny mpikambana no fidiram-bolan’ny Fikambanana ka ariary roapolo isan-taona – ankoatra ny fanomezana an-tsitrapo ataon’ny mpikambana ho fanatanterahana ny asa isaka ny seha-pitolomana. IV. NY AMBARATONGAM-PITONDRAN’NY FIKAMBANANA Teny midina ifampifehezana sy teny miakatra (centralisme démocratique) no fomba fiasa. TAHIRIN-KEVITRA

Amin'ny teny vahiny

1. CHASSANG (A) et DENNINGER (CH): Les textes littéraires généraux, col "HU" classique Hachette ,1958.

2. LEGUERN (M) : Sémantique de la métaphore et de la métonimie. Ed langue et langage, Larousse, Université, Paris 1972.

3. MAO TSE-TOUNG : « Le petit livre rouge», citation du président Mao Tse-Toung, Ed Seuil. 1967, I87p.

4. MARX (K.) et ENGELS (F) : Manifeste du Parti communiste. Ed du progrès, Mouscou, 1978, 93p.

5. SARTRE (JP) : Qu'est-ce que la littérature, Ed - gallimard, Paris 1948, 384p.

6. WELLEK (A) et WARREN (A), La théorie littéraire. Ed du Seuil, col poétique, Paris, 1971, 399p.

• Rakibolana

7. Dictionnaire Hachette encyclopédique : Ed illustré, Hachette livre, 43 quai de Grenelle, Paris, 2001, 1858p.

8. Dictionnaire l.'mversel de poche, Hachette, livre et librairie générale Français, 6e rue Pière Serrazin, Paris, 1993.

9. MORIER (H) : Dictionnaire de poétique et de rethonque, Paris PUF, 1961, 1263p.

10. Petit Larousse illustré : librairie Larousse, Paris, 1980, 1819p. Amin'ny teny malagasy

11. ANDRIAMALALA (ED) : Ilay Vohitry ny nofy, tranom-piritintim-pirenena, Antananarivo, 1972. Ny fanagasina, librairie mixte, Antananarivo, 2004, tak 59 Fofombadiko, librairie mixte, Antananarivo, 1999, tak 222

12. ANDRIAMANGATIANA (IP) : Vakivakim-piainana. 1998, 75 tak.

13. ANDRIAMAMPIHANTONA: Kabary betsileo, Edisiona vaovao, Antananarivo, 1984.

14. R.P. CALLET: Tantara ny Andriana, Imprimerie nationale, Antananarivo, 1981

15. DAHLE (L): Anganon'ny Ntaolo, trano printy Loterana, Antananarivo, 1984, 296 tak

16. FETY (M): Nahoana no avondrona ho fokonolona isika? Ed Salohy, 1975, 78 tak

17. 1LAY: Mikatsaka nv fiadanana. 1982.

18. OTRIKAFO: Fanehoam-pijery, natontan'ireo mpikambana ao amin'ny OTRIKAFO, 2004, 48 tak. Vahaolana mahomby, Antananarivo, 2006, 192 tak.

19. RABEMOLALY (F). RAVALITERA (JN), RAVELOJAONA (H): Fary mamy, kilasy famaranana, Ed Salohy, Antananarivo 1980, 234 tak.

20. RADO: dinitra, imprimerie NEWPRINT, Ankorondrano, Antananarivo, 2000, 168 tak

ZO: imprimerie NEWPRINT, Ankorondrano, Antananarivo, 2002, 224 tak 21. R.P RAHAJARIZAFY: Filozofia Malagasy, librairie Ambozontany, Fianarantsoa, 1970, 151 tak

22. RAHARIMANGA Fidèle: Ny Avana RAMANANTOANINA et l'identité nationale, thèse de doctorat du 3e cycle, Institut national des langues et civilisation orientale, Paris, 1987.

23. RAINANDRIAMAMPANDRY : Tantara sy fomban-drazana.

24. RAINIZANABOLOLONA (J): Lesona tsotsotra rnomba nv fianarana poezia amin'ny teny Malagasy, imprimerie FFMM, Faravohitra, Antananarivo, 1914.

25. RAJAONA (S): Zava-kanto vita amin'ny teny na sarin-teny eo amin'ny fomba filazan-javatra, Ed, Ambozontany, 1993.

26. RAKOTONAIVO (F): Ny diam-penin'i Avana RAMANANTOANINA (1891- 1940), Ambozontany, Fianarantsoa, 1993, 226 tak.

27. RAMANDIMBILAHATRA (M): Asa maha-olona ... itsenana ny ho avy. Antanananvo, 2006, 36 tak.

28. RANDRIAMIADANARIVO: Isa ny amontana, Ed Salohy-Antananarivo, 1975, 152 tak.

29. RANDRIAMAMONJY (E): Ho avy ny maraina, Trano printy FLM, Antananarivo, 2001, 247 tak

30. RATSIRAKA (D): "Boky mena", Fototra iorenan'ny Revolisiona Sôsialista Malagasy, tranom-printim-pirenena, Antananarivo, 1975, 215 tak.

31. RAVELOJAONA: Tanindrazana sy firenena ary isika Malagasy, imprimerie spécial Anjohy, 1973. 32. ZANAMIHOATRA (R): Vainafo tononkira, Ambozontany, Fianarantsoa, 1968, 143 tak. • Rakibolana

33. RAKOTONAIVO (F): Rakibolana frantsay-malagasy, Ambozontany, Fianarantsoa. 978 tak.

34. RAKOTOZAFY (MD): Dictionnaire malgache-français, édicef 58 rue Jean Bleuzen, France, 1995.

35. RAOLISON (RR) : Rakibolana malagasy, Ed Ambozontany, Fianarantsoa, 2003.

• Gaz ety sy gazety boky

36- Aingam-pivoarana, lah manokana FIMPATEMA, Antananarivo, 1979 lah 6, FIMPATEMA, Antananarivo.

37. Ambioka, lah 00, Desambra, 1997.

38. Ny Andry, n°108, 26 Août 1971.

39. Andry PILIER, n°103, 22 juillet 1971,

40- Fanasina, lah 539, 1948.

41. Haisoratra sy fiarahamonina, Tononkalom-pitolomana natontan'ny FTM, Antananarivo, 1977, 123 tak

42. Hiratra: n°l, 1973, n°5, 1987.

43. Ny fandroasoam-baovao, numéro special, 1933 numéro 05, 1931. 44- Ny mpandinika, 1927.

45. Mpanolo-tsaina, septembre 1927.

46. Ny tsarako.

47. SANDRATRA, tontolo isainana.

48. Tantaran’ny haisoratra 1895-1915, STELARIM, Antananarivo, 1973.

49. Zon’ny olombelona, imprimé par MAGROS PRINT, Antananarivo, Sept 2000, 45p Anarana: RAZAFIMANDIMBY Fanampiny: Andrialalaina H.A Lohateny: A.R.Ni SY NY VAHOAKA MADINIKA Isan’ny takila: 150

Famintinana Manana ny maha-izy azy i A.R.Ni eo amin’ny tontolon’ny soratra. Tsy latsa- danja koa anefa izy eo amin’ny fiaraha-monina. Anisan’ireo olona tia ny vahoaka madinika izy. Izany indrindra no nahatonga ny lohatenin’ny asa fikarohana hoe: A.R.Ni sy ny vahoaka madinika. Mibahan-toerana ao amin’ny tononkalony ny filazany momba ny fiainan’ireo sokajin’olona ireo, ireo zava-mianjady aminy, ary ny tolona ataon’ny mpanoratra manoloana ny zava-misy eo amin’ny fiaraha-monina. Paika maro samihafa no nampiasainy hanomezany endrika kanto ny tononkalony na teo amin’ny endrika ivelany toy ny rima sy ny andininy na teo amin’ny sarinteny.

Teny fototra: Littérature, Poeta, politika, kanto, vahoaka madinika

Fonenana: Miadana – Ambatolampy 104

Mpitarika ny fikarohana: Ramatoa RAHARIMANGA Fidèle Maître de conférences