1

UNIVERSITE D’

ECOLE NORMALE SUPERIEURE

DEPARTEMENT DE LA FORMATION INITIALE

C.E.R LANGUE ET LETTRES MALGACHES

-°°°° 0O0 °°° -

MEMOIRE POUR L’OBTENTION

DU CERTIFICAT D’APTITUDE PEDAGOGIQUE

DE L’ECOLE NORMALE (CAPEN)

NY TONONKALON’I HEMERSON ANDRIANETRAZAFY, MIRONA AMIN’NY FIKATSAHANA SY FAMPIVOARANA NY MAHA OLONA

BOKY FAHAROA

Présenté par :

RAKOTOARIMANANA Antsasoa Ny Aina

Directeur de recherche : ANDRIAMANATSILAVO Seth Maître de conferences

__ ANTANANARIVO __

06 – Juin - 2016 1

TENY FISAORANA “Vavolombelon’ny mpiasa ny bainga voavadika”, ary porofo manamarika ny fahavitan’ny dimy taona nandalovana teto amin’ny sekoly ambony manofana ho mpampianatra any amin’ny ambaratonga fahatelo, ny fahavitan’ny boky. Tsy hihambo ho nahavita irery ity asa ity anefa izahay, fa maro ireo olona nanampy tamin’izany. Toloranay fisaorana feno sy fankasitrahana eram-po, eran-tsaina izy rehetra ireny.

Andriamatoa filoha RAKOTOARINIA Ratrema William, nitsara ny asanay. Fantatray tompoko, fa maro ny adidy amana andraikitra sahaninao. Na teo aza anefa izany, dia tsy nanosi-bohon-tanana anay ianao fa nandray ny asa sy nitsara izany. Ho lava andro iainana anie ianao tompoko, ary hifanantitra amin’ny zanaka aman-jafy.

Ramatoa mpitsara RAHARIMALALA Beby Fanja Olive, izay niasa andro sy alina, tsy nitandro hasasarana tamin’ny fitsarana ny asa. Toloranay fisaorana ombam- pitiavana mitafotafo ianao tompoko tamin’ny fandavan-tena nasehonao taminay. Misondrota amin’ny ambony indrindra, ary tongava amin’ny tanjona irina.

Laka-nitàna nahafahana nanatontosa izao asa izao Andriamatoa ANDRIAMANATSILAVO Seth, mpampaka-teny sy nitarika anay nandritra ny fananganana ny asa. Tsy kivy nanoloana ny fitavozavozana nisy taminay. Nitan- tsoroka sy tsy reraka nanitsy, nitsara ary nanoro hevitra hatrany. Eram-po, eran-tsaina tompoko ny fisaorana atolotray anao. Ho lava andro iainana anie ianao, ho mamy tian’ny vola, ary hangidy lavitry ny faty.

Ny mpampianatra rehetra eto amin’ny ENS Ampefiloha, indrindra ireo ao amin’ny Sampana Teny Aman-tsoratra Malagasy, izay tarihan’Andriamatoa RANDRIAMAHAZO Jean Claude.

Ny Ray mpiahy ny ANDIANY AINGA, Andriamatoa RAKOTOARISOA Victor James.

Ny mpanoratra Andriamatoa ANDRIANETRAZAFY Hemerson, angady nananana sy vy nahitana izao asa izao. Nanaiky nandray anay hatrany tamin’ny fotoana rehetra nilàna ny fanampiany. Nankahery, nifanampy betsaka taminay, ary 2 nanome izay nilaina rehetra. Misaotra, mankasitraka, mankatelina tompoko. Misondrota voninahitra eo anivon’ny kanto.

Ny ANDIANY AINGA (Andry Iankinan’i Nosy GAsikara) nisy anay. Niara- namakivaky ny dimy taona nandalovana teto amin’ny sekoly.

Ireo Ray aman-dReny nitaiza anay. Andriamatoa RANDRIANARIJAO Nainamalala Fidèle sy Ramatoa RASOANOROLALA Nirina Eveline. Tsy nitandro vola aman-karena tamin’ny fampitana sy fampianarana anay. Ny kibo nitoerana tompoko no tsy tao aminareo, fa nahatsiaro hatrany ho nanana Ray sy Reny nianteherana izahay nanana anareo. Onera be ny lany tompoko, ho tratra antitra ary hifanantitra aminay taranaka rehetra.

Farany, tao ireo nanao “tongotra miara-mamindra, tanana miara-manoratra, saina miara-mihevitra” taminay, nitondra anjara biriky tamin’ny fanampiana, na ankolaka na mivantana, kanefa tsy àry ho voatonona eto avokoa. “Sitraka enti-matory ireny tompoko, ka hovaliana raha mahatsiaro” !

Antsa

3

FIZAHAN-TAKILA

TENY FISAORANA ...... 1

FIZAHAN-TAKILA ...... 3

LISITRY NY FAFANA ...... 10

LISITRY NY KISARY ...... 10Erreur ! Signet non défini.

LISITRY NY FANAFOHEZAN-TENY ...... 11

0 – TENY FAMPIDIRANA ...... 12

0 – 1 – ny sehatra nirotsahana ...... 12

0 – 2 – ny lohatenin’ny asa fikarohana ...... 12

0 – 3 – ny anton’ny safidy ...... 13

0 – 4 – ny zava-kendrena amin’ny asa ...... 14

0 – 5 – ny petraka olana sy ny petraka hevitra ...... 15

0 – 6 – ny fomba nanatontosana ny asa ...... 15

0 – 7 – ny olana nosetraina sy ny vahaolana noraisina ...... 16

0 – 8 – ny haitsikera nampiasaina ...... 16

0 – 9 – ny fetran’ny asa ...... 18

0 – 10 – ny drafitry ny asa ...... 20

FIZARANA VOALOHANY : NY TANTARAM-PIAINAN’NY MPANORATRA : HEMERSON ANDRIANETRAZAFY

TOKO VOALOHANY : NY TANJOZOTRA ARA-PIANAKAVIANA

1-1-Ny loharano nipoirany sy ny fiaviany ...... 24

1-1-1-ny lafin-kavana avy amin’ny Rainy ...... 25 1-1-2- ny lafin-kavana avy amin'ny Reniny ………………….………………….26

1-2-Ny fotoam-pahazazany ...... 28

1-2-1-Ireo toe-javatra nisongadina nanamarika ny vanim-potoanan’ny fahazazan’ny mpanoratra ...... 29 4

1-2-1-1- ny fotoam-pahazazany tao Soavinandriana Itasy ...... 29 1-2-1-2- ny fotoam-pahazazany tao Faratsiho ...... 33 1-2-1-3- ny fotoam-pahazazany tao Antsirabe ...... 34

1-2-2- ny fitaizana sy fanabeazana azony nandritra io vanim-potoanan’ny fahazazany io ...... 36 1-2-2-1- ny fitaizana sy fanabeazana azony teo anivon’ny ankohonana ...... 36 1-2-2-2- ny fitaizana sy fanabeazana azony teo anivon’ny fiarahamonina ...... 38

1-3-ny fotoam-pahatanorana ...... 40

1-3-1- ireo toe-javatra nisongadina nanamarika ny fahatanorany ...... 40

1-3-2- ireo toetra nampiavaka azy nandritra io dingana io ...... 43

TOKO FAHAROA : NY TANJOZOTRA NIVOARAN’NY MPANORATRA

2-1- ireo sehatra nivelarany teto Madagasikara ...... 47

2-1-1- ireo sekoly namolavola azy sy ny mari-pahaizana azony ...... 47 2-1-1-1- ireo sekoly nianarany ...... 48 2-1-1-2- ireo mari-pahaizana azony ...... 49

2-1-2- ny asany ...... 50 2-1-2-1- ny asa fampianarana nandritra ny fanompoam-pirenena ...... 50 2-1-2-2- ireo asa nosahaniny ...... 53

2-2- ny tany ivelan’i Madagasikara ...... 54

2-2-1- ny fianarana norantoviny ...... 54

2-2-2- Ireo toe-javatra nanamarika azy ...... 55

2-3- ny foto-kevitra mampiavaka azy ...... 56

TOKO FAHATELO : NY FIFANDRAISANY AMIN’NY TONTOLON’NY KANTO

3-1- ireo antony nahatonga azy ho mpanoratra ...... 59

3-1-1- talenta nolovàna ...... 59

3-1-2- ny fanabeazana noraisiny ...... 60 5

3-1-3- fahatsapana sy filàna avy ao anaty ...... 62

3-2- ny fivelarany eo amin’ny tontolon’ny kanto ...... 63

3-2-1- ireo tara-kevitra resahany ao amin’ny tononkalony ...... 63 3-2-2- ny fikambanana V.A.I.K.A

3-2-2-1- ny fiforonany ...... 65 3-2-2-2- ny foto-kevitra ijoroany ...... 67 3-2-2-3- ireo hetsika niarahan’ny mpanoratra taminy ...... 67

3-2-3- ireo boky sy famelabelaran-kevitra samihafa efa nataon’ny mpanoratra .. 70 3-2-3-1- ireo boky nataony na lohahevitra nofakafakainy ...... 70 3-2-3-2- ireo famelabelaran-kevitra efa nataony ...... 73

3-3- ny fifandraisany amin’ny mpanjifa ...... 75

3-3-1- ny fampirantiana asa soratra arahina hosodoko ...... 75

3-3-2- ny tambazotran-tserasera « facebook » ...... 76

FEHIN’NY FIZARANA VOALOHANY ...... 77

FIZARANA FAHAROA : JERY FAOBE MOMBA NY TONONKALON’I HEMERSON ANDRIANETRAZAFY : IREO DINGANA NOLALOVANY SY NY FIVOARAN’NY ASA SORANY

TOKO VOALOHANY : NY VANIM-POTOANA ANDRANA SY INDRANA TEO AMIN’NY MPANORATRA (1970-1977)

II-1-1- ireo tontolo samihafa heverina fa namatsy ny mpanoratra ...... 80

II-2-1-1- teo amin’ny fomba fanoratra ...... 81

II-2-1-2- teo amin’ny aingam-panahy ...... 81

II-2-1-3- ny fiainany ny tontolon’ny mozika ...... 82

II-2-2- ireo tara-kevitra noventesiny ...... 83

II-2-2-1- ny fitiavana ...... 83

II-2-2-2- ny fahantrana ...... 84

II-2-3- ireo toe-javatra nanamarika azy ...... 84 6

TOKO FAHAROA : NY VANIM-POTOANAN’NY FIRAFETAN-TSAINA TANTERAKA TEO AMIN’NY MPANORATRA (1978 - ….)

II-2-1- ny endriky ny fitiavana amin’ny ankapobeny ...... 86

II-2-1-1- ny fitiavana dia fanoitra iray mamaritra ny maha olombelona ...... 86 II-2-1-1-1- hery anaty mamatsy ny tsirairay ny fitiavana ...... 87 II-2-1-1-2- mampifandray ny olombelona rehetra, ny fitiavana ...... 88 II-2-1-1-3- mampifandray ny olombelona amin’ny tontolo iainany, ny fitiavana ...... 89

II-2-1-2- ny fitiavana manototra ny nofy sy ny nofinofin’ny mpanoratra ...... 90 II-2-1-2-1- ny mpanoratra sy ny olon-tiany ...... 90 II-2-1-2-2- ny mpanoratra sy ny namany ...... 91 II-2-1-2-3- ny mpanoratra sy ny mpiara-belona aminy ...... 93

II-2-2- ny mpanoratra sy ny tontolon’ny fitiavan’olon-droa ...... 94

II-2-2-1- ny ankapobeny momba ny fitiavan’olon-droa ...... 95 II-2-2-1-1- ny fahaterahany ...... 95 II-2-2-1-2- ny fitiavana dia mifandray amin’ny filàna ...... 98 II-2-2-1-3- ny fitiavana dia finoana ...... 99

II-2-2-2- ny tontolom-pitiavana katsahin’ny mpanoratra ...... 100 II-2-2-2-1- tsy manisy ahiahy amin’ny teny sy ny toky nomen’ilay olon-tiana100 II-2-2-2-2- fandraisana amin’ny maha izy azy manontolo ny olon-tiana ...... 101

II-2-2-3- ny fiantraikany ao amin’ny olombelona ...... 103 II-2-2-3-1- ny mpanoratra – ny toerana – ny fitiavana ...... 104 II-2-2-3-2- ny mpanoratra – ny fotoana – ny fitiavana ...... 105 II-2-2-3-3- ny vokatry ny fitiavana rava ...... 106

TOKO FAHATELO : NY VANIM-POTOANA NIRONAN’I HEMERSON ANDRIANETRAZAFY TAMIN’NY TONONKALO MIANDANY : “NY FITATAO VODY HIFEHEZAM-BAHOAKA”

II-3-1- ny fitiavan-tenan’ireo olom-bitsy mahazo fitondrana ...... 112

II-3-2- ny fanomezan-kasina ny saina ...... 114 7

II-3-2-1- ny fanabadoana ataon’ny mpanao pôlitika ...... 114

II-3-2-2- ny famefena ny olona tsy hisaina ataon’ireo mpitondra fivavahana ..... 117

II-3-3- famaritana ny antsoina hoe : vahoaka ...... 120

II-3-3-1- tohatra ho fiakarana eo amin’ny fitondrana ...... 121 II-3-3-1-1- ny “fanjazàna” ny vahoaka ...... 121 II-3-3-1-2- ny famerana ny nofinofin’ny vahoaka ...... 126

II-3-3-2- fitaovana entina mitsentsitra ny harena iombonana ny vahoaka ...... 127

FEHIN’NY FIZARANA FAHAROA ...... 132

FIZARANA FAHATELO : NY TONONKALON’I HEMERSON ANDRIANETRAZAFY MANEHO FANANTENANA NY HISIAN’NY FAMPIVOARANA NY MAHA OLONA

TOKO VOALOHANY : NY FANAMAFISANA NY “MAHA SINGA” MIAVAKA NY ISAM-BATAN’OLONA

III-1-1- ny famaritan’ny mpanoratra ny atao hoe : olombelona ...... 135

III-1-2- ny tontolom-panahy mandrafitra ny olombelona ...... 138

III-1-2-1- ny famaritana ny fanahy ...... 138

III-1-2-2- ny anjara asan’ny fanahy ao amin’ny olombelona ...... 141 III-1-2-2-1- entina manoritra ny safidy, ny fanahy ...... 142 III-1-2-2-2- entina mametraka ny fomba fijery ny fiainana, ny fanahy ...... 146

III-1-3- ny fikatsahana ny “maha singa” ao amin’ny tononkalo ...... 147

III-1-3-1- ny famaritana ny “maha singa” ...... 147

III-1-3-2- ny endrika isehoan’ny fikatsahana ny “maha singa” ...... 151 III-1-3-2-1- ny fikatsahana fahafahana ...... 151 TOKO FAHAROA : NY FAMPIVELARANA NY MAHA OLONA FENO NY TSIRAIRAY DIA MITONDRA HARENA HO AN'NY MARO

III-2-1- ny andraikitry ny “singa” amin’ny fanasoavana ny maro ...... 158

III-2-1-1- ny tsirairay maneho ny antom-pisiany ...... 159

III-2-1-2- ny tsirairay mizara ny harena ao aminy ...... 161 8

III-2-2- ny fanentanana ny vahoaka hiombona : “omeo hasina ny olo-mendrika!” 162

III-2-3- ny lalan-tsaina iombonan’i HEMERSON amin’ireo mpanoratra rômantika ...... 164

III-2-3-1- ny mpanoratra rômantika sy ny fikatsahana fahafahana ...... 165 III-2-3-2- ny mpanoratra rômantika sy ny tontolon'ny pôlitika……………...….170 TOKO FAHATELO : NY NOFINOFIM-PANANGANANA RAFI – PIARAHAMONINA VAOVAO IOMBONAN’NY MALAGASY

III-3-1- ny nofinofy mipàka amin’ny olombelona tsirairay ...... 174

III-3-1-1- ny fitsikerana ny toe-tsaina tsy mety ...... 174 III-3-1-1-1- ny fakan-tahaka be fahatany ...... 174

III-3-1-1-2- ny tsy fahalalana ny tantara ...... 177 III-3-1-1-3- ny fianteherana amin’ny hery hafa ivelan’ny tena ...... 181

III-3-1-2- ny soso-kevitra aroson’ny mpanoratra manoloana ireo ...... 184

III-3-2- ny nofinofy hanangana fiarahamonina vaovao sy mahafinaritra ...... 187

III-3-2-1- hifikitra sy hitodika amin’ny tena zava-misy eo amin’ny tanindrazany ny Malagasy ...... 188

III-3-2-2- hahavelon-tena ny fiarahamonin’ny Malagasy ...... 191

III-3-2-3- homen-danja ny asa famoronan’ny Malagasy ...... 194

III-3-3- ny anjara toeran’ny maha Malagasy miatrika ny fanatontoloana...... 195

III-3-3-1- ny Malagasy manoloana ny firoboroboan’ny fifanakalozana iraisam- pirenena ...... 196

III-3-3-2- ny Malagasy manoloana ny vinavina hanangana kolon-tsaina iraisan’ny olombelona rehetra ...... 199

FEHIN’NY FIZARANA FAHATELO ...... 201

TENY FAMARANANA ...... 202

FINTINA ...... 205

RESUME ...... 206 9

ABSTRACT ...... 207

IREO TAHIRY NANOVOZAN-KEVITRA ...... 208

RAKIBOLANA ...... 208

BOKY AMIN’NY TENY FRANTSAY ...... 208

BOKY AMIN’NY TENY MALAGASY ...... 209

GAZETY SY REVIO ...... 211

TRANONKALA (webographie) ...... 211

10

LISITRY NY KISARY 01- Ny tetiaran’ny mpanoratra ……………..……………………………………26

LISITRY NY FAFANA 01- Ny anaran’ireo olona voalaza ao amin’ny tetiaran’ny mpanoratra …………27 02- Ireo sekoly nianaran’ny mpanoratra ………………………………………...48 03- Ireo mari-pahaizana azon’ny mpanoratra …………………………………...49 04- Ireo tara-kevitra ventesin’ny mpanoratra ao amin’ny tononkalony …………64

11

LISITRY NY FANAFOHEZAN-TENY AREMA : Antoko REvôlisiônera Malagasy (Avant-garde de la Revolution Malagasy)

BEPC : Brevet d’Etudes du Premier Cycle

CEG : Collège d’Enseignement Général

CEPE : Certificat d’Etudes Primaires Elémentaires

ECAR : Eglise Catholique Romane

ERA MRSTD/ORSTOM : Equipe de Recherche Associé – Ministère de la Recherche Scientifique et Technologique pour le Dévéloppement – Office de Recherches Scientifique et Technologiques d’Outre-Mer

EST : Ecole Supérieure de Technologie

FFMA : Friends Foreing Mission Association

FRAC : Front Régionale d’Art Contemporain

FJKM : Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara

ISCAM : Institut Supérieur des Communications des Affaires et du Management

Lah : laharana

LMA : Lycée Moderne Ampefiloha p : page

STELARIM : Sampana TEny sy LAhabolana ary RIba Malagasy

Tak : takila

VA : Vondrona Ambara

VAIKA : Vondrona Andrafetana sy Ivoizana ny Kolontsain’ny Ampitso

12

0 – TENY FAMPIDIRANA Ho famaranana ny fianarana eto amin’ny Sekoly ambony manofana ho mpampianatra any amin’ny ambaratonga fahatelo (Ecole Normale Supérieure), dia takiana ny hanaovan’ny mpiofana tsirairay asa fikarohana mba hahazoana ny mari- pahaizana C.A.P.E.N na « Certificat d’Aptitude Pédagogique de l’Ecole Normale ». Maromaro ny sehatra azo irotsahana amin’izany.

0 – 1 – ny sehatra nirotsahana Misy karazany efatra ny sehatra azo irotsahana hanaovana asa fikarohana raha ny Sampana Teny aman-tsoratra malagasy no ifantohana, dia ny haiteny, ny antrôpôlôjia, ny haifampianarana, ary ny literatiora, izay mizara ho literatiora am-bava sy literatiora an-tsoratra. Ity farany no niantefan’ny safidinay, satria voalaza fa “maneho ny fiainana ny literatiora, ary ny atao hoe : fiainana dia zava-misy marina ara-piarahamonina”1. Tsy vitan’ny hoe maneho ny fiainana fotsiny anefa izy, fa misahana anjara asa goavana amin’ny fampitàna hevitra amin’ny mpiara-belona ihany koa. Hoy i RANDJA ZANAMIHOATRA : « izay hita mampavesa-danja indrindra ny tononkiran’ny pôeta mihoatra amin’ny lahatsoratra tsotra, dia izy mahaseho zava- maro amin’ny fomba mifintina »2

0 – 2 – ny lohatenin’ny asa fikarohana Nampitondraina ny lohateny hoe “NY TONONKALON’I HEMERSON ANDRIANETRAZAFY MIRONA AMIN’NY FIKATSAHANA SY FAMPIVOARANA NY MAHA OLONA” izao asa fikarohana izao. Fikatsahana satria tsy mbola tonga amin’ny tanjona maha olona ny mpanoratra. Mbola mikaroka andro aman’alina io filamatra tiany hotratrarina io izy, ary tsy mitsahatra mamatsy ny tenany amin’ny alalan’ny nofinofy rariany ao anatiny. Ny fananganana ny maha singa no endrika iray hisehoan’io fikatsahany ny maha olona io. Ankoatra izany, mihamikorosy fahana koa ankehitriny ny maha olombelona. Mihena ny hasina omena

1 WELLEK et WARREN, la théorie littéraire, coll poétique, Ed du seuil, Paris 1976, p : 129 : « la littérature présente la vie et la vie dans une large mesure, est une réalité sociale » 2 RANDJA ZANAMIHOATRA [pseud] [Edmond RANDRIAMANANJARA], vainafo tononkira, librairie Ambozontany Fianarantsoa, 1969, tak : 07-08 13 ny aina, ka dia maneho ny heviny momba izany i HEMERSON. Amin’i J.P SARTRE mantsy dia: “miteny amin’ny mpiara-belona aminy ny mpanoratra”3.

0 – 3 – ny anton’ny safidy Nofidinay ny literatiora noho ny fitiavanay azy. Ankoatra ny fankafizanay io zana-taranja io, dia anisan’ny mba nanavanana anay nandritra ny fotoana nianarana tao an-tsekoly ny literatiora. Teo koa ny fahatsapanay fa manana anjara toerana lehibe eo amin’ny fiainan’ny zanak’olombelona, ankoatra ny maha fanabeazana sy fialam- boly azy izy io. Hoy indrindra i LYDIARY : “NY SORAMONINA no hery manentana ny olombelona, tsiro manome hasina ny fiainana, tsioka mamelombelona ny trotraka, ary endrika mampisongadina ny hankanton’ny zavaboary”4

Tsy afa-misaraka ny asa soratra sy ny mpanoratra izay fototry ny famoronana. Nofidinay àry i HEMERSON ANDRIANETRAZAFY mpanoratra, noho ireto antony ireto:

- mpanoratra mbola velona izy, ka azo iresahana mivantana.

- tsy hoe mpanoratra fotsiny izy, fa mpampianatra sy mpanabe ihany koa. Heverinay fa mifandraika tanteraka amin’ny asa fampianarana hiandraiketanay atsy aoriana kely ny fikirakiranay ny asa sorany.

- mpanakanto feno izy satria hita ao aminy avokoa ny tontolon’ny kanto : asa soratra, mozika, sary na ny hosodoko na ny sikotra.

- mpanakanto tena miavaka ihany koa izy, tsy amin’ny endriny ivelany ihany, fa amin’ny lafiny rehetra mihitsy. Na eo amin’ny ara-pahalalana, na eo amin’ny talenta sy fahaiza-manao ananana, na eo amin’ny tsangan-kevitra ijoroana, na eo amin’ny tantaram-piainana nolalovana, sns.

- mpanoratra anisan’ireo zokinjokiny ara-taona izy, ary ela nihetezana teo amin’ny sehatry ny literatiora. Noho izany, efa nahatety vanim-potoana maromaro

3 SARTRE (J.P), Qu’est-ce que la littérature ? Collection idées, Paris, 1948 , p.88 : « L’écrivain parle à ses contemporains » 4 LYDIARY [pseud] [Marie Lydia RAZAIARIMANANA], Tontolo isainana « Teny fanolorana » Sandratra, amboaran-tononkalo faharoa, Antananarivo, 1991, Imprimerie BERTI Marohoho, tak 5 14 teo amin’ny tantaran’ny literatiora sy ny tantaram-pirenena amin’ny ankapobeny, ny asa sorany.

- mpanoratra mbola tsy nisy nanao asa fikarohana izy, kanefa tsapanay fa maro ireo seha-kevitra azo trandrahina ao amin’ny tononkalony.

0 – 4 – ny zava-kendrena amin’ny asa Ireto ny tanjona tratrarina amin’ny asa :

Hampahafantatra bebe kokoa an’i HEMERSON ANDRIANETRAZAFY mpanoratra sy ny asa sorany. Azo lazaina fa olo-mangan’ny literatiora sy ny zava- kanto eto amin’ny firenena mihitsy mantsy izy.

Ho fanabeazam-boho ny literatiora malagasy, dia ny literatiora an-tsoratra, izay harena sarobidy tokoa. Hoy i F. RAKOTONAIVO, milaza ny anjara toeran’ny soratra: “Ny soratra izay mivela mantsy dia lovan-tsaina sarobidy ho an’ny taranaka, ka hipetraka maharitra ho vavolombelona.”5

Mikasika ny lohahevitra indray, dia ahafahana mamantatra ny zava-nisy teto amin’ny firenena, sady ho anjara biriky entina manabe ny Malagasy hahatsiaro ny kolontsainy sy ny maha olombelona azy, ka ho tia sy hitandro izany amin’ny alalan’ireo fomba samihafa atolotry ny mpanoratra ity asa ity.

Eo amin’ny sehatry ny asa, ho mpampianatra izahay atsy aoriana kely, koa mety hanampy ny tahirin-kevitra eo am-pelatananay sy ny mpampianatra hafa koa ny asa fikarohana natao.

Farany, ao ireo zandry mbola hanao asa fikarohana atsy aoriana. Tsapanay fa mbola maro ny lohahevitra azo trandrahina ao amin’ny asa soratr’i HEMERSON ANDRIANETRAZAFY ankoatra ny nataonay izay namaky lay ny fikirakiràna ireo ; koa mety ho fototra hiaingany amin’izany ity asa ity.

5 RAKOTONAIVO (F), Ny diampenin’Ny Avana RAMANANTOANINA (1891-1940), Ambozontany Fianarantsoa, tak 4 15

0 – 5 – ny petraka olana sy ny petraka hevitra Heverin’ny olona maro ankehitriny, fa “mpanonofy ranomaso sy fitserana”6, ny mpanoratra ka tsy omeny lanja akory. Mazàna koa dia tsy hitan’ny olona akory ny zava-dazain’ny mpanoratra ao amin’ny asa soratra, fa variana amin’ny endriny ivelany fotsiny izy ireo.

Ny tena marina anefa, “manana eritreritra misidina ambony ny tena pôeta”7, ary tsy adala izy ireny, fa “hendry loatra angamba, matoa tsy azontsika ny zavatra lazainy”8. Azo inoana araka izany, fa raha manisy lanjany ny literatiora ny tsirairay, ka ho tafiditra ao anatin’ny filàna eo amin’ny an-davanandrom-piainan’ny olona ny soratra, dia ho takany ny hevitry ny mpanoratra, ary dia hanova ho tsara ny fiainan’ny tsirairay sy ny firenena mihitsy izany.

0 – 6 – ny fomba nanatontosana ny asa Maro ireo dingana nolalovana tamin’ny fanatontosana izao asa izao.

Nanatona mivantana ny mpanoratra izahay, ary namboraka ny hetahetanay taminy ny amin’ny hikirakiranay ny asa sorany. Nanaiky izany fanirianay izany izy, ary nanolotra taminay ireo vainga azo trandrahina. Nitohy hatrany ny fanangonana ireo tononkalo.

Nirosoana amin’izay ny fandinihana ireo tononkalo rehefa fantatra ireo iaingana, dia ny tononkalo amin’ny teny malagasy sy izay voadika amin’ny teny firantsay. Tononkalo avokoa moa ny ankamaroan’ny asa novokarin’ny mpanoratra. Tsikaritra tao ny firesahany betsaka momba ny olombelona, koa io no nentina nananganana ny drafitra vonjimaika.

Namaky ny boky teôrika izahay avy eo mba ho andry hoenti-manatanteraka ny asa. Nifanindran-dalana tamin’izany ny fanatonanay matetika ny mpanoratra, mba hanangonana izay ilaina amin’ny momba azy.

6 Fary mamy , kilasy voalohany, “ny poety”, RAKOTOJAONA Job, tak : 186-187 7 RAKOTONIRINA (J), Fanavaozana, may 1955 8 ANDRIAMANANTENA (Ch), tontolo isainana, 1991 16

Natomboka amin’izay ny fandrafetana ny asa rehefa hita fa azo iaingana ireo angona nananana. Teny anelanelany teny dia tsy nitsahatra ny fitetezana tranom-boky ho fanampiana hatrany ny tahirin-kevitra ampiasaina.

Nifanerasera tamin’ny mpampianatra mpitarika hatrany izahay nandritra ny fotoana rehetra nanaovana ny asa. Tamin’izany no nanitsiany anay, nanoroany izay tokony hatao mba hanatsarana hatrany ny fikarohana natao.

Nisy ny olana teny am-panatanterahana izany rehetra izany. Niezaka nitady vahaolana hatrany anefa izahay.

0 – 7 – ny olana nosetraina sy ny vahaolana noraisina Teo aloha ny tsy fahampian’ny tahirin-kevitra tokony hampiasaina, koa dia niezaka nitety tranom-boky, ary niditra ho mpikambana tamin’ny sasantsasany tamin’ireny izahay.

Teo ihany koa ny fahasarotan’ny fifandraisana tamin’ny mpanoratra noho ny hamaroan’ny adidy amana andraikitra sahaniny. Ny nataonay dia ny famonjena ireo famelabelaran-kevitra samihafa notanterahin’ny mpanoratra tamin’ny toerana vitsivitsy teto Antananarivo izay misy ifandraisany amin’ny asanay. Fanampiny ihany sisa no anatonana azy avy eo. Nanampy izany ny fifandraisanay tamin’ny alalan’ny finday sy ny tambazotran-tserasera “facebook”.

Teo koa ny tsy fahampian’ny fitaovana nampiasainay, toy ny fandraisam-peo nakàna ny resadresaka nifanaovana tamin’ny mpanoratra. Nanoloana izany dia niezaka ny nindrana tany amin’ireo namana sy mpiray tampo izahay. Teo koa anefa ny fahasimbana matetika teo amin’ny solosaina nampiasainay. Nezahina anefa ny tsy hampijanona ny asa, ka ny findramana hatrany no vahaolana hitanay.

Mba haha-siantifika ny asa sy ho arofanina tsy hampivoana azy, dia tsy maintsy misafidy haitsikera hoenti-mitrandraka ny mpikaroka.

0 – 8 – ny haitsikera nampiasaina Tsy mandeha irery ny asa fikarohana fa mila haitsikera hoenti-mitrandraka azy. Mitari-dalana amin’ny asa izay atao izany, ary arofanina tsy mampivoana ny zava- dazaina ihany koa. Teo aloha ny haitsikera ara-tantaram-piainan’ny mpanoratra (Approche biographique) izay mampifamatotra ny tantaram-piainan’ny mpanoratra 17 amin’ny asa soratra. Lalan-tsain-dry SAINTE-BEUVE sy Hyppolite TAINE izy ity. Ilaina, hoy izy ireo, ny fahafantarana ny tantaram-piainan’ny mpanoratra, satria tsy azo hazavaina ny toetry ny vokatra, raha tsy fantatra ny tany nanirian’ilay hazo. Hoy i SAINTE-BEUVE maneho izany: « afaka mankafy asa soratra iray aho, nefa sarotra ho ahy, ny mitsara azy, raha tsy fantatra ny nanao azy, ary ambarako tsotra hoe : arakaraka ny hazo ny voany ».9 Manampy izany, “ny firazanana na ny loharano nipoirana, ny tontolo iainana ary ny vanim-potoana, ireo antokon-javatra telo ireo no miteraka asa soratra”10, hoy i TAINE.

Amin-dry zareo, ny haisoratra dia nateraky ny toe-javatra samihafa teo amin’ny tantaram-piainan’ny mpanoratra, koa tokony hofongarina daholo ny lafim-piainan’ny mpanoratra raha te hanazava ny asa sorany.

Fa tsy ny mpandinika vahiny ihany no nivoy ity haitsikera ity, fa ao koa ireo mpandinika malagasy toa an-dRAHAROLAHY izay nilaza hoe: “Ny fandalinana ny tantaram-piainan’ny mpanoratra dia hanampy ny mpamaky amin’ny fanakarana ny hevi-dalina voarakitra ao.”11

Na eo aza anefa izany, dia tsy azo atao ny mitompo teny fantatra fa ny asa soratry ny mpanoratra dia mitovy tanteraka amin’ny fiainany. Miombon-kevitra amin’i GOETHE izahay amin’izany. Hoy izy: “Na dia misy ifandraisany aza ny asa soratra sy ny fiainan’ny mpanoratra, dia tsy azo tsoahina kosa ho dika mitovy ny fiainany sy ny asa soratra.”12

Tsara ny fampivadiana haitsikera maromaro amin’itony asa fikarohana itony raha tiana ny hahazoana vokatra tsara. Hoy i B.D Solohery RANARISON: “Tsy misy lalan-tsikera tokana ahazoana mandinika asa soratra amin’ny lafiny rehetra.

9 SAINTE-BEUVE ,taterin’i (A) CHASSANG et (R) SENNINGER ,les textes littéraires généraux ,collection « HU » ,classiques hachettes ,1958 ,p :459 « ( …) je peux goûter une œuvre ,mais il m’est difficile de la juger indépendamment de la connaissance de l’homme, et je dirais volontiers tel arbre ,tel fruit ». 10 ESCARPIT (R), Sociologie de la littérature, PUF, colléction « Qui sais-je ? », 1958, p : 09 « (…) dans la doctrine de TAINE : la race, le milieu, le moment. C’est la convergence de ces trois facteurs qui détérmine le phénomène littéraire » 11 RAHAROLAHY (E), Herika, Imprimerie d’ouvrages éducatifs, Librairie Mixte, 1976, tak.5 12 Teny taterin’i WELLEK et WARREN, La théorie littéraire, collection poétique, Editions du Seuil, Paris, 1971, p.105 « Même lorsqu’il y a un rapport étroit entre l’œuvre et la vie d’un auteur, il ne faut jamais en inférer que l’œuvre n’est qu’une copie de la vie. » 18

Petrakevitra samihafa no hiaingan’ny mpahay tsikera arakaraka izay lafiny tsikera kendrena havoitra.”13

Nampiasainay araka izany ny haitsikera ara-piarahamoina (Approche sociologique) izay miompana amin’ny fandinihana ny zava-misy ara-piarahamonina tamin’ny fotoana nahaterahan’ny asa soratra. Ny fiainana mihitsy no asehon’ny literatiora, ny zava-misy eny amin’ny fiarahamonina no taterin’ny mpanakanto, dia ny mpanoratra. Antitranterin’i WELLEK sy WARREN izany amin’ny hoe: “Ny mpanakanto dia mpitondra zava-misy marina, indrindra, fa ny zava-misy marina ara- tantara sy ara-piarahamonina”.14

Lalana ahafahana manazava ny asa soratra koa izy ireny araka ny ambaran- dRAVOAJANAHARY hoe: “Olombelona miara-miaina amin’ny olona mpiray tanindrazana aminy ny mpanoratra ; taratry ny fiainana iainany no avoakany, ny vetsovetsom-pony, ny hetahetam-panahiny, ny fisaintsainany, izay tsy maintsy misy iraisany amin’ny mpiara-belona aminy.”15

Ankoatra ny haitsikera ara-tantaram-piainan’ny mpanoratra sy ara- piarahamonina, dia teo koa ny haitsikera ara-tantara sy ny haitsikera mifototra amin’ny fandinihana ny lafika tokana. Izany indrindra no mametra izao asa izao.

0 – 9 – ny fetran’ny asa Tsy hahasahana manontolo ny anjara toeran’ny mpanoratra eo amin’ny sehatry ny zava-kanto sy ny literatiora ity asa fikarohana ity.

Noferanay ho i HEMERSON ANDRIANETRAZAFY mpanoratra ihany no nodinihana. Tsy noresahina firy ny maha mpiangaly mozika, mpanosodoko sy mpanao sary sokitra azy. Eny fa na dia mifandray betsaka aza ireo sehatra maro lafy ireo ho an’ity mpanoratra ity.

13 RANARISON (B.D), « Ny haitsikera fampiasa amin’ny fanadihadiana haisoratra”, Aingam-pivoarana, laharana manokana, FIMPATEMA, Antananarivo, 1979, tak 71 14 WELLEK et WARREN, La théorie littéraire, col poétique, éd. du Seul, Paris, 1971, p.32 : « L’artiste est porteur de vérité, et nécessairement il est aussi porteur de vérité historique et sociale. » 15 RAVOAJANAHARY (Ch), Ny tantaran’ny haisoratra 1896-1915, STELARIM, Antananarivo, 1975 19

Ankoatra izany, ireo tononkalo mifandray amin’ny lohahevitra miresaka momba ny olombelona izay iompanan’ny asa ihany no tena nodinihana, na dia tsapa aza fa mihodinkodina amin’izany ny asa soratra rehetra.

Lohahevitra mahafaobe ao amin’ny tononkalon’ny mpanoratra no noresahina, satria vao izahay no nanokatra ny asa fikarohana momba ny asa soratr’i Hemerson ANDRIANETRAZAFY sy ny asa sorany. Koa kazarana andram-pikarohana ihany ity asa ity. Mbola maro manko ny seha-kevitra azo dinihina sy ny fanontaniana azo apetraka manoloana ny tontolo kanton’ny mpanoratra. Amin’ny maha andram- pikarohana azy, dia tsy tomombana sy mahafa-po tanteraka izy ity. Ny mpanoratra koa mbola eo am-perinasa ka afaka mametraka lalan-tsaina marolafy hafa sy mety hifanohitra mihitsy amin’izay heverinay. Na dia nambarany aza mantsy nandritra ny resadresaka nifanaovanay taminy, fa tsy dia azo lazaina ho mpanoratra rômantika loatra izy, dia tsapanay koasa ny tambesatr’io fironana io ao amin’ny asa sorany, indraindra eo amin’ny fikatsahana ny fahafahan’ny olombelona. Anisan’ny loharana nanovozan’i Hemerson ANDRIANETRAZAFY ny fatram-pahatsapany rahateo, nandritra ny androm-pahazazany sy ny fotoam-pahatanorany, ny asa soratr’ireo mpanoratra rômantika maro.

Ataonay lohahevitra amin’ny asa fikarohana manaraka, ohatra, ny ezaka fametrahan’ny mpanoratra koriana manjohy vanim-potoana (contemporain), izay hita taratra amin’ny famoronany voambolana sy sahan-kevitra mifanaraka amin’ny zava- misy iainana ankehitriny. Toy izany koa ny fikarohana mihodina amin’ny fahafahana maneho hevitra mivantana na mivantambantana mihitsy ao amin’ny tononkalony, izay azo ampifanatrehana amin’ny fironan’ny vazo miteny ankehitriny. Marihina fa ao amin’ny tononkalon’i Hemerson ANDRIANETRAZAFY dia ahitana koa ny ezaka fanavaozana sy fampiainana indray ny hainteny sy ny tsilalaon-teny mba hifanaraka amin’ny vanim-potoana iainana ankehitriny. Noho izany mbola misy koa asa fikarohana azo atao ampifandraisana ity mpanoratra ity amin’ny anjara biriky entiny ho an’ireo mpanoratra vao misandratra, izay mandray sy miantso azy ho i Zokibe HEMERSON. Eo koa ny fifandraisan’ny hafatra apetrany amin’ny asa fampianarana ataony, dia ny fizahana sy ny fikatsahana ny maha olona.

Toy izao àry ny drafitra nananganana ny asa : 20

0 – 10 – ny drafitry ny asa Fizarana telo lehibe no nentina nandrafitra ity asa fikarohana ity:

Ao amin’ny fizarana voalohany no nampahafantarana ny tantaram-piainan’ny mpanoratra. Naroso tao ny tanjozotra ara-pianakaviana nipoirany sy nanefy azy ; noresahana ihany koa ny tanjozotram-piainana nivoarany teo amin’ny fianarana sy fiofanana samihafa ; nasiana teny farany, ny fifandraisan’ny mpanoratra amin’ny tontolon’ny kanto.

Ny fizarana faharoa no namahavahana ny ankapobeny momba ny tononkalon’ny mpanoratra. Nozaraina ho vanim-potoana telo lehibe izany. Teo aloha ny taona 1970-1978, nantsoina hoe : “vanim-potoana andrana sy indrana” teo amin’ny mpanoratra ; ny 1978- … “ny vanim-potoanan’ny firafetan-tsaina tanteraka” teo amin’ny mpanoratra ; ary ny 2000- … vanim-potoana nironan’ny mpanoratra nankany amin’ny tononkalo miandàny na ny “fitatao vody hifehezam-bahoaka”, hoy izy. Ny fizarana fahatelo farany, kosa no nanolorana ny fomba nentin’i HEMERSON maneho ny fanantenana ny hisian’ny fampivoarana ny maha olona. Nasongadina tao ny fitadiavany ny “maha singa”, ny maha singa mitondra mankany amin’ny tombontsoa iraisana, ary ny fampijoroan’ny mpanoratra rafi-piarahamonina vaovao tiany mba hiainan’ny Malagasy rehetra.

SOAVINANDRIANA ITASY 05 Avril 1961 RANDRIANETRAZAFY Honoré Georges (rainy) sy ANDRIANETRAZAFY Hemerson fony kely.

HEMERSON ANDRIANETRAZAFY 21

FIZARANA VOALOHANY : NY TANTARAM-PIAINAN’NY MPANORATRA : HEMERSON ANDRIANETRAZAFY 22

Mitàna anjara toerana lehibe amin’ny fandinihana asa soratra ny fahafantarana ny tantaram-piainan’ny mpanoratra. Manampy betsaka ny mpikaroka sy ny mpamaky amin’ny fanazavana ny hevitra mantsy izany ; araka ny voalazan-dRAJAONA hoe : « ny fandalinana ny tantaram-piainan’ny mpanoratra dia hanampy ny mpamaky amin’ny fanakarana ny hevi-dalina voarakitra ao ».16

Koa heverinay fa tsara ny hanombohana ny asa amin’ny fampahafantarana momba ny mpanoratra izay nosafidianay hanompanana ny asa. Mifamatotra sy tsy afa- misaraka tokoa mantsy ny mpanoratra sy ny asa soratra. « Ny mpanoratra no renin’ny soratra (…)17, hoy RAVALITERA.

Hamafisin’izay voalazan’i MICHAUD momba an’i MALLARME izany fiheverana izany. Hoy indrindra mantsy izy : “ho an’i Mallarmé, ary tsy latsa-danja noho ny ho an’ny hafa rehetra, hatramin’izao, dia tsy azo sarahina ny fandinihana ny olona sy ny asa soratra”18.

Na ny mpandinika na ny mpamaky mantsy, dia samy liana te hahalala ny momba ilay mpanoratra avokoa. Mety mialoha na aorian’ny famakiana ny asa soratra no itsimohan’izany fahalianana izany. Hoy i ROGER FAYOLLE mitatitra ny fahitany izany : « tsy misy asa soratra, tsy misy namokatra azy, ary mazàna aza rehefa hamaky asa soratra dia maika ery hijery ny mombamomba ny mpanoratra eo amin’ny voalohan’ny boky ».19

Koa tsy mahagaga raha ampianarina ny mpianatra any amin’ny ambaratonga voalohany ny mahakasika ny fomba fitrandrahana ny tantaram-piainan’ny mpanoratra satria ilaina amin’ny fanadihadiana asa soratra izany.

16 RAJAONA (S), « teny fanolorana », Erika nosoratan’i Harioley, imprimerie d’ouvrages éducatifs, librairie mixte, Antananarivo, 1996, tak : 15 17 RAVALITERA (N), Ambioka, lah 33, feb 2001. 18 MICHAUD (G), Mallarmé, Hatier, Paris 1958, p : 05 « Pour Mallarmé, moins que pour tout autre, on ne saurait désormais dissocier l’étude de l’homme de celle de l’œuvre » 19 FAYOLLE (R), la critique littéraire, « Charles PEGUY, conte la critique scientifique, texte 65, coll.U, Paris, 1964, p 22. « (…) nous ne retrouverons la paix de l’âme qu’après que nous avons établi de l’auteur, (…) une biographie cataloguée baltique ».

23

Lafin-javatra telo lehibe no hasongadina ato amin’ity fizarana voalohany ity izay hanolorana ny tantaram-piainan’ANDRIANETRAZAFY HEMERSON :

- aroso ao amin’ny toko voalohany ny tanjozotra ara-pianakaviana nipoirany sy nanefy azy ; - atolotra ao amin’ny toko faharoa, ny tanjozotra nivoarany teo amin’ny lafiny fianarana sy fiofanana samihafa ; - ary any amin’ny toko fahatelo no hamantarana ireo kanto maro lafy hita ao amin’ity mpanoratra ity. 24

TOKO VOALOHANY : NY TANJOZOTRA ARA-PIANAKAVIANA « Ny hazo no vanon-ko lakana, hono, tsara ny tany naniriany ».

Izany no fitenin’ireo Razana hendry sy lalim-pandinihana, entiny milaza ny olona tafita sy mendrika halain-tahaka eo amin’ny fiarahamonina. Matoa anefa ny olona iray tonga amin’izany toerana izany, dia tao ireo nanefy azy. Toa izany koa ny mpanoratra sy ny tontolon’ny asa fanoratana. Hoy RAVOAJANAHARY momba izany : « tsy nitsontsorika avy any an-danitra ny haisoratra sy ny mpanao azy».20

Araka ny fiheveran’ny Malagasy, dia manana adidy amin’ny velona ny Razana. Miahy ny taranany izy, ary endrik’izany fiahiany ny taranaka izany indrindra, ny fahatokisan’ny olona ny tena raha mba fototr’olona ny Razambe. Hoy ihany RAVOAJANAHARY : « (…) zava-dehibe teo amin’ny Ntaolo, ny mahafantatra tsara ny Razana niaviana. (…). Izany hoe : ny Razana no mahatonga antsika hitokisan’ny olona mifanerasera amintsika na hifanaovantsika raharaha (…). Ny olona tsy fantatra ny Razana nipoirany dia mahakaodikaody ny olona ka nataony hoe : mba zana- jovy ? »21 .

Ny tanjozotra ara-pianakaviana àry no ndeha hofantarina voalohany mba hahafahana mametraka izay tontolo nanefy ny mpanoratra.

Lafim-piainana telo lehibe no hasongadina momba izany :

- hofantarina eo am-piandohana, ny loharano nipoirany sy ny fiaviany ; - hojerena manaraka, ny androm-pahazazany sy ny niainany izany ; - hasiana teny ihany koa, ny androm-pahatanorany.

1-1-Ny loharano nipoirany sy ny fiaviany Lafin-javatra hamantarana ny olona tsirairay ny Razana nipoirany sy ny tanindrazany. Taty aoriana dia napetraka nanampy izany ny tanjozotra nivelaran’ilay olona, teo amin’ny lalam-pianarana sy fiofanana samihafa. Tanjozotra izay misongadina eo amin’ny asa amana andraikitra sahaniny.

20 RAVOAJANAHARY (Ch), “tantaran’ny haisoratra 1896-1915”, STELARIM, Antananarivo, 1973 21 RAVOAJANAHARY (Ch), Ny fokonolona, Tselatra, lah 8.

25

Tamin’ny taona 1960, tao anatin’ny safotofoton’ny fananganana fahaleovantena hialana tamin’ny fanjanahan-tany frantsay, no teraka tao Soavinandriana Itasy (Mandridrano), ANDRIANETRAZAFY HEMERSON. Io tanàna io moa tamin’izany dia toerana tsara honenana, kelikely, madio sy tsara karakara, ary nilamina. Ny tobim-pitsaboana no mivelatra amin’ny toerana avo indrindra eny Soavinandriana Ambony. Ny marainan’ny talata, 05 aprily 1960 izy no tonga teto an-tany, ary nahadibo-kafaliana ny rainy, RANDRIANETRAZAFY Honoré Georges, lehiben’ny ala22 tao amin’ny faritry Soavinandriana, sy ny reniny RAZAFINISOA Joséphine mpanjaitra. Voalohan-jaza tokoa mantsy ity vahiny ho an’ity tokantrano vao : voalohan-jaza, ary lahy !

1-1-1-ny lafin-kavana avy amin’ny Rainy RANDRIANETRAZAFY Honoré Georges dia manam-pototra avy any Vakiniadiana, izany hoe any amin’ny faritry Manjakandriana, Antsinanan’Antananarivo izay lalovan’ny reniranon’Ihadiana. Ny tanàna nipoirany dia ao Ambohijatovo Moronkay zana-bohitr’Ambohitrandriamanitra. Izy dia teraka ary taranaka tantsaha izay namelona ny voly, ny asa momba ny vy, ary ny fitrandrahana ny ala, tamin’iny faritra manamorona an’Ankay iny.

Tahaka ireo lehilahy maro tao amin’ny fianakaviany, dia nisafidy ny hiasa tao amin’ny fandraharahana ny rano sy ny ala23, Andriamatoa RANDRIANETRAZAFY Honoré Georges. Io sehatra io dia mampitohy azy amin’ny tontolon’ny hazo sy ny ala, izay efa nahazatra ny Razany. Hany ka rehefa nahavita ny dingana rehetra teo amin’ny ambaratonga fototra izy, ka nandalo tao amin’ny sekoly fanabeazana fototra tao Imerikanjaka, dia niofana tao amin’ny Ecole régionale Mantasoa, ary nanao fanadinana taty an-drenivohitra mba ho tonga lehiben’ny ala. Rehefa vita ny fiofanana dia voatendry hiasa tany Tsiroanomandidy izy ny taona 1958. Nafindra tao Soavinandriana Itasy mba hifehy ny sampana rano sy ala tao Mandridrano izy taorian’izany.

Tao amin’io tanàna io no nahalalany an-dRamatoa RAZAFINISOA Joséphine, izay nampakariny ho vady tamin’ny 1959. ‘Ndeha hofantarina ny momba azy.

22 Garde forêts 23 Services des eaux et forêts 26

1-1-2- Ny lafin-kavana avy amin’ny Reniny Ramatoa RAZAFINISOA Joséphine dia zazavavy teraky Mandridrano, ary manana ny fotorany ao Mahatsinjo, renivohitry Mandridrano fahagola, tanàna kely eo andrefan’ny Soavinandriana, ary mihazo ny lalan-tany mankany Mananasy. Izy ihany koa dia zanaka tantsaha, nivelona tamin’ny fambolena sy fiompiana. Rehefa niorina ny tokantranon-dry zareo tamin’ny taona 1959, dia nipetraka tao amin’ny andian-trano iva voatokana ho an’ny mpiasam-panjakana tao Soavinandriana Ambony, izy roa. Toy izao izany ny tetiarana maneho ny loharano nipoiran’ny mpanoratra:

30 31 32

27 19 20 21 22 23 24 25 26 28 29

10 11 12 13 14 15 16 17 18

1 2 3 4 5 6 7 8 9

Kisary voalohany: ny tetiaran’ny mpanoratra Fanazavana ny kisary

: Ego : Lehilahy : Vehivavy : Efa maty : Efa maty : Mpivady : Mpianaka : Mpiray tampo ------: zaza natsangana 27

01 ANDRIANETRAZAFY Hemerson 02 RAZAFINISOA Zelephophine 03 RAZAFINISOA Nombana Solofoarimanga 04 ANDRIANETRAZAFY Harison Georges 05 ANDRIANETRAZAFY Doli Parson 06 RAZAFINISOA Doladoline 07 ANDRIANETRAZAFY Rodolphi 08 ANDRIANETRAZAFY Bary Jean Delors 09 RANDRIANARIJAO Nainamalala Fidèle 10 RANIVOARISOA Sujanne 11 RANDRIANETRAZAFY Honoré Georges 12 RASOAZANANIVO Helène 13 RANETRAVOLOLONA Bako 14 RAHETSIMANALINA Wilfrid 15 RAMINOSOA Henriette 16 RAKETAKINIRAINY 17 RAKOTOMAMPIANINA Dolpha 18 RAZAFINISOA Joséphine 19 RANDRIAMITSATRA 20 RANETRALAHY Georges 21 RAZANAMIADANA 22 RASOAZANANIVO 23 RAKETAKA 24 RANARISON Georges Solo 25 RAKETABE 26 RAZANADRAVAO Henriette 27 RAVAOARISOA 28 RAZANANTSOA 29 RAJAONARIVONY 30 RANETRALAHY 31 RAMIADANA 32 RAZANAKOMBANA sy RAKOTONDRASOA

Fafana voalohany : maneho ny anaran’ireo olona ao amin’ny tetiarana Nanara-drafitra tamin’ny fikoloana saina nisy tamin’izany fotoana izany ny fianakavian-dRay sy Reniny.

Ny fianarana no antoky ny fananganana ny ho avy. Ary ny fifehezana ny teny sy ny soratra no fitaovana entina miady amin’ny habadoana. Mety ho tany an-tsekoly na tamin’ny fampianarana mamaky teny sy manoratra ireo olon-dehibe no endrika nisehoan’izany tamin’ny fotoan’andro nampahalaza azy.

Maro ireo olona tao amin’ny fianakaviany no nanana fifandraisana mitohy tamin’ny asa soratra. Mety ho teo amin’ny fifehezana ny asa amana andraikitra 28 andavanandro izany, na teo anivon’ny fiarahamonina, na teo amin’ny raharaham- panjakana.

Eo ihany koa ny fanoratana « diary » ; ary indrindra ny fandrindrana tononkalo sy tantara an-tsehatra, rehefa fankalazana ny Noely.

Anisan’izany ireto olona tao amin’ny fianakaviany tanisaina manaraka ireto :

RANETRALAHY, RANETRALAHY Georges, RAJAONARISON. RAJAONARISON dia nandrafitra tononkalo maro miompana amin’ny fitiavan- tanindrazana fony izy nandray anjara tamin’ny ady fanoherana ny vazaha ny taona 1947, ary nigadrany taona maro teny Antanimora rehefa voasambotra tao Beparasy izy ny taona 1948.

Indrisy anefa, fa efa very avokoa, hono, ny asa soratr’izy ireo.

Ny asa soratry RANDRIANETRAZAFY Honoré Georges, rain’ny mpanoratra, no mbola misy vitsivitsy voatahiry.

1-2-Ny fotoam-pahazazany Mandalo dingana maromaro ny olona tsirairay mandritra ny fotoam- pahavelomany. Anisan’ireny ny vanim-potoanan’ny fahazazana, izay ambaran’ny mpandinika, toa an’i WEBBER24 fa anisan’ny manan-danja sy manamarika ny olona tokoa. Aminy dia anisan’ny fomba tsotra indrindra handalinana ny asa soratry ny mpanoratra iray ny fizahana ny tsiahim-pahazazany. Heverina fa misy ifandraisany amin’io fiainam-pahazazana io avokoa, amin’ny ankapobeny, ny asa soratra rehetra. Raha te hahatakatra tsara ny hevitra ambarany izany, dia mila fantarina aloha io dingana nolalovan’ny mpanoratra io.

Zava-droa loha àry no hasongadina eto amin’ity andininy ity :

- etsy andaniny, holazaina ireo toe-javatra nisongadina izay nanamarika ny vanim-potoanan’ny fahazazan’ny mpanoratra ; - etsy ankilany kosa, hofantarina ny fitaizana sy fanabeazana azony nandritra

24 WEBBER (JP), Genèse de l’œuvre poétique, librairie Gallimard, Paris, 1960, p : 19 « le cas le plus simple est celui de souvenir d’enfance ». 29

io vanim-potoana io.

1-2-1-Ireo toe-javatra nisongadina nanamarika ny vanim-potoanan’ny fahazazan’ny mpanoratra Tahaka ny zaza rehetra ihany ANDRIANETRAZAFY Hemerson fony kely : nilalao, nianatra, … .Ny tena nanamarika azy kosa dia ny hasiahan’ny rainy. Noho ny maha mpiasam-panjakana ny rainy, dia tsy marin-tombina teo amin’ny tanàna iray izy ireo, fa saika nifindrafindra fonenana hatrany nanaraka ny tanjozotran’asa tondroin’ny fanjakana. Tanàna efatra no azo lazaina fa nandanian’ity mpanoratra ity ny androm- pahazazany. Teo aloha ny toerana nahaterahany, dia i Soavinandriana Itasy izany. Taona vitsivitsy avy eo, dia nifindra tany Faratsiho ny fianakaviany. Mbola nipetraka tany Antsirabe ihany koa ry zareo vao niakatra teto an-drenivohitra, Antananarivo.

1-2-1-1- ny fotoam-pahazazany tao Soavinandriana Itasy Nambaran’ny mpanoratra fa tamin’ny 24 desambra 1964, no nifoha sy nirafitra tanteraka ny raki-tadidiny. Hoy izy : « nandeha namonjy ny tanànan-drazana tany Mahatsinjo ny fianakaviana tamin’izay. Ny raiko no mbola nijanona tao Soavinandriana Itasy. Izahay telo dahy (izaho sy ny anabaviko roa) no niaraka tamin’i Mama tany Mahatsinjo. Tamin’ny tolakandro malomalok’orana, anefa, rehefa niomana hankalaza ny sasakalin’ny Noely ny fianakaviana, dia tonga tampoka ny iraka nalefan’ny raiko haka anay mianadahy, zokiny. Tapa-kevitra, hono, izy fa hamonjy ny reniny any Ambohijatovo Moronkay (Vakiniadiana). Nandeha nanatona an’ny Mahatsinjo ihany izy, nitondra fiara, saingy nijanona teny Miandrirahona, izay nisy trano natsangan’izy mivady, ary sahabo ho roa kilaometatra eo ambany atsinanan’ny Mahatsinjo. Fahavaratra moa ny andro ary saro-dalana ny miakatra eny an-tanàna izay mitingitingina avo antampon-tendrombohitra. Tsy nahaleo dohika ity mpaniraka ny reniko, ka dia lasa izahay mianadahy zokiny nanaraka ilay Rangahy. Nizotra tamin’ny lalan-tany malama midina ny tanàna. Niampita ny tetezan-kazo hiakaran-drano mahery, namakivaky lohasaha haniriam-bero sy bozaka mitsilo, manindron-daferana. Nirotsaka ny oram-batravatra. Nahatsiaro ho torovana sy natahotra izahay mianadahy. Nitsikarokaroka tao anaty ranom-potaka, mamindra amin’ny tongotra kely ary miezaka manaraka ny dian’ity lehilahy matanjaka. Io fotoana io no azo heverina ho nifohazan’ny fitadidiako. Nony tonga soa aman-tsara teny Miandrirahona izahay, dia nosoloana akanjo sy natanina afo. Nentin’ny raiko 30 niverina tany Soavinandriana ny alin’io ihany izahay. Ny reniko sy ilay zandriko vavy an-tanana moa nijanona tany Mahatsinjo. Rehefa avy nanangona enta-kely tao an- trano izahay, dia nirifatra namonjy an’Antananarivo, ary nanohy ny dianay nankany Manjakandriana. Efa hadiva marainan’ ny Noely izahay no tonga tany Ambohijatovo Moronkay »25

Hita fa nisy akony betsaka taminy io toe-javatra io, satria lasa manindry azy ao amin’ny asa soratra mihitsy ny tontolon’ny rano. Maneho izany ny siky laonina ( VA, lah : 125, tak 179 )

“Orana mikija mety ho antoka aina ody hetaheta fivatsy ny ambioka siny sisa siny sisa siny nefa rano rano rano rano tsy basy no odiana tsy poaka no apoaka fa mila rano rano ! io indray fa tondraka ! ilay volon’andro halevina hifangaroana amin’ny fotaka sarintsarin-toaka miraraka tsy miato rano mahamamo tsy mandevy tsy mangotraka fa mihantsy embon-dratsy pitipiti-drano,

25 Resadresaka ny 06-10-2015, 10 ora, Tahala Rarihasina 31 tsy hay hidiana vava, tsy hijanona amim-bavaka ! fa tongatonga erika ! tsy ny rano anie no halako e fa ny tsiahy manaraka azy rehefa injay mivanda-maloka ny tontolo hifanatrehana eo ny lasa no misosoka !!! eo ny embona no miainga !!! …” Maro ireo fitadidiana nanamarika ny fahazazany. Anisan’izany, ohatra, ny kilalao tsy voahevitra saika nitera-java-doza. Nilalao afokasoka tao anaty saham-bero maina niaraka tamin’ny namany mpifanolo-bodirindrina aminy, hono, izy, indray andro, ka saika nandoro ny ampahany andrefan’ny Soavinandriana Itasy, iray manontolo. Vokatry ny tsy fahalalana, dia nodorany ny vero maina. Nampian’ny rivotra tosika. Nidedadeda ny afo, ary nananontanona ny tranon’olona mitafo bozaka. Nifarimbona ny fokonolona, kanefa ela vao voafehy ny afo.

Fa ny tena nampiavaka azy indrindra, dia ny fitiavany ny kanto. Anisan’ny fanalany andro niaraka tamin’ny namany sy ny anabaviny, hono, ny manamboatra zaridaina kely eo an-tokontany. Tamin’izany angamba no nifoha ny fitiavany mijery sary. Mbola kely izy, dia voasintona, ary liana tamin’ny hosodoko. « Nanana “encyclopédie” roa lehibe ny raiko tao an-trano. Izy ireo dia ahitana karazana sary marobe, maneho ny hosodoko tany Erôpa. Nanintona ahy fatratra ny sary sy ny rindran-doko asehon’ireo mpikanto maro ireo, ka isaky ny mamelona fiara andeha hivoaka ny raiko dia lasa mihazakazaka mankao amin’ny biraony aho, ary mamadibadika sy mandinika ny sary ao anatin’ireo boky tsy zakako nobataina ireo. Efa haiko tsianjery avokoa ny takila misy ny sary nahafinaritra sy nanintona ahy tao. Teo koa ireo sary nampitahotra sy nampihorohoro ahy. Isaky ny mahita tsaoka na arina fandrehitra aho, dia manao sary eny amin’ny rindrina na ihany koa, eny amin’ny tany. Matetika aho no bedy sy voakapoka satria hoe mandoto rindrina (…). Ny 32 tontolon’ny sary no voaloham-pitiavako teto ambonin’ny tany, ary mbola ho fara- fitiavako ihany koa »26. Nahafinaritra azy ny nandrindra endrika sy loko samihafa.

Nanomboka ny taona 1965 izy no nalefa nianatra tao amin’ny sekolin-dry masera tao Soavinandriana. « Tsaroako tsara ilay indray maraina nanateran’ny ray sy reniko ahy andeha hianatra. Nampanaovina akanjo vaovao sy aron’akanjo manga aho. Tery kely tamiko ny tendan’io aron’akanjoko io. Iny aron’akanjo nanaovako voalohany iny no nahatonga ahy tsy ho tia fitafiana maneritery ny tendako intsony mandrak’izao. (…). Nahafinaritra ahy ny fifandraisako voalohany tamin’ny tontolon’ny fianarana. Mbola zaza moa ny tena tamin’izany ka ny lalao sy ny fatoriana no betsaka. Ny halako fotsiny dia masiaka ratsy ny vehivavy tao amin’io sekoly io satria mahita ahy dongadonga sy bebe takolaka, dia ny manongo ny tarehiko no ataon’izay tojo ahy fanalan’andro. Nijaly tokoa aho tamin’izany, satria namaivay tsy nisy toy izany ny tavako ary lasa fahoriana ho ahy ny hoe : andeha hianatra ».27

Ny taona 1965 dia nifindra taty an-drenivohitra ny fianakaviany satria niandry vohoka ny zandriny fahefatra, ny reniny. Nipetraka teny Ambodimanga Besarety izy ireo ary naiditra nianatra tao amin’ny Collège Grandidier izy. Tao no nahitany ny setrasetran’ireo zana-bazaha niara-nianatra taminy28 . Niharan’izany ihany koa izy. « Nisy vazaha kely mpiara-nianatra taminay izay tao amin’io sekoly io. Izy io dia mila vaniny amiko foana amin’ny tsy misy antony. Rehefa tonga ny ora fakan-drivotra dia mihazakazaka manatona ahy izy ary manezaka mitomany sy miantso ny zokiny lahy izay nianatra tao ihany koa, (9 ème io zokiny io). Milaza izy fa nokapohiko, hono. Avy hatrany aho dia nodarohan’ilay zokiny. Nony tonga ny ampitso maraina, dia mbola nanao toy izany tamiko ihany izy mirahalahy ireo. Nitadiavako hevitra amin’izay nony hariva, ka nitondrako vatan-kitay niala avy tany an-trano. Nandrasako indrindra izy ireo ho variana tsy mahita ahy. Avy hatrany dia nolangisako ny kitay avy ato aoriana. Nasiako tampoka ka niboba ra sy naratra mafy mihitsy. Ny mpampianatra no

26 Resadresaka ny 05-11-2015, 8 ora tao an-tranon’ny mpanoratra 27 Resadresaka ny 05-11-2015, 8 ora tao an-tranon’ny mpanoratra 28 Teny Ampahibe moa tamin’io fotoana io dia tobin’ny tafika Firantsay, ka maro ireo zanaka miaramila vazaha no nianatra tao amin’ny kôlejy Grandidier. 33 nanaisotra ahy teo, ary dia nampanantsoina ho any am-pianarana ny Ray aman- dReniko. Niharan’ny sazy tena henjana aho tamin’izany »29

Fotoana fohy taorian’io dia niverina tany Soavinandriana izy ireo rehefa teraka soa aman-tsara ny reniny, ka dia tany indray izy no nanohy ny fianarany. Nampidirina tao amin’ny sekolin’ny misiona prôtestanta notantanin’ny FFMA. Ankoatra ny lesona sy ny fanabeazana azony, dia nitombo hatrany ny fahalianany tamin’ny sary sy ny karazany rehetra, toy ny : kisary, sary hitatra, sary pika, sns.

« Indray andro izay, avy nianatra aho no nahita ny dokam-barotra momba ny sary mihetsika atolotry ny kôlejy ho an’ny mpianatra : “Superman contre les soucoupes volantes”, no lohatenin’izy io. Tafajanona teo anoloan’ilay solaitrabe nipetrahan’ireo sary ireo aho, satria nanaitra ny fanahiko ny fahitana ireo sary. Teo aho ka teo …, nandinika tsy nipy maso mihitsy azy ireo nandritra ny tapak’andro iray manontolo. Ny zanaky ny anadahin-dreniko, kilasy mandry tao amin’ny kôlejy, no nahita ahy teo ka niteny hoe : aoka izay lehity Leme, fa rahariva indray mijery. Andao aloha ialahy aterina mody ! »30

Noho io fitiavana ny sary sy ny hosodoko io, dia nividianan-drainy fitaovana fanaovana loko rano izy. Akory ny hafaliany sy ny fahasambarany ! Teo no nanombohany nampiana-tena tamin’ny hosodoko.

Nifandimby teny ny taom-pianarana sy ny lanonam-piangonana samihafa. Ny toe-javatra niova fotsiny dia nafindra nianatra tao amin’ny Cher frère Saint Jean Baptiste de la Salle izy tamin’ny kilasy fahafolo (10 ème).

1-2-1-2- ny fotoam-pahazazany tao Faratsiho Tamin’ny taona 1967, voatendry hiasa tany Faratsiho ny rainy. Nifindra fonenana noho izany ny fianakaviany, ka nitoetra tao amin’ity tanàna kely ity.

Nizotra nilamina ny androm-pahazazany. Nitohy toy ny tany Soavinandriana ihany ny fiainan’izy ireo. Ny tena nanamarika azy, dia ny fiovan’ny rivotra niainany. Somary mihataka kely ny ivon-tanàna moa ny toeram-ponenan’izy ireo. Nizatra ny fiainan’ny tantsaha izay niarahany nonina izy. Anisan’ireny ny kilalao fanao, toy ny :

29 Resadresaka ny 05-11-2015, op cit 30 Resadresaka ny 05-11-2015, op cit 34 kiombiomby tanimanga, farara amboarina amin’ny mololo, aponga tany, sns, ny fangalarana voankazo tany an-tsaha sy teo an-tanàna manginy fotsiny.

Nambarany fa ny datin’ny 14 oktobra 1968 no daty tena nanamarika azy tao Faratsiho. Lanonana fahatsiarovana manan-danja ho an’ny Repôblika malagasy moa io daty io taloha. Isa-paritra sy isa-tanàna dia mankalaza azy amin’ny fomba manetriketrika. Tamin’io andro io dia efa voaomana fa handalo ao Faratsiho ny filohan’ny nosy : Andriamatoa Philibert TSIRANANA. Ho tonga amin’ny helikôptera eny amin’ny kianja fanaovam-baolina izy. Niomana fatratra ny handray azy ny olona ; ny mpianatra rehetra ihany koa dia hilahatra ho fanajana azy. Tamin’io andro io, anefa : « efa tafasolo akanjo izaho sy ny zandriko vavy tamin’io maraina io satria andeha hilahatra any amin’ny lapan’ny tanàna. Teo am-piandrasana ny fotoana hanaterana anay dia nilalao sy nisavilivily tamin’ny lambam-baravarana aho. Nipitika tampoka anefa ilay lamba, ka nikipily tany an-tokotany aho, ary notatazan’ny vato malaho ny lohako. Torana aho ary tsy nahatsiaro tena.

Rehefa nentina teny amin’ny tobim-pahasalamana teo an-toerana aho, dia nalefan’ny mpitsabo hiakatra maika dia maika taty Antananarivo. Naiditra hôpitaly tao Befeletanana aho nandritra ny roa volana. Rehefa navoaka tao aho, dia tsy nahazo nihetsika teo am-pandriana efa-bolana ; nifindra fonenana tao Mahamasina Atsimo izahay nandritra izany »31.

Vaky boky, fanaovan-tsary, ary fambolena anana no tena nataony ho fialam- boly tamin’izany.

1-2-1-3- ny fotoam-pahazazany tao Antsirabe Tamin’ny taona 1969 dia voatendry hiasa tany Antsirabe indray Ingahy RANDRIANETRAZAFY rainy. Rehefa vita ny fitsaboana sy ny fotoam- pamerenan’aina teny amin’ny hôpitaly Befelatanana, dia namonjy an’Antsirabe ny fianakaviany ary nipetraka tany Mahazoarivo.

Tanàn-dehibe noho ireo nivelarany hatrizay ity tanàna ity. Maro olona, ary midadasika kokoa. Teny Mahazoarivo, faritra andrefan’Antsirabe no nanofa trano aloha ny fianakaviany. Maro olona teny, tsy tahaka ireo faritra afovoan-tanàna

31 Resadresaka ny 05-11-2015, op cit 35 nonenan’ny teratany vahiny. Nifanerasera fatratra tamin’ny ankizy manodidina ry zareo mianadahy avy (7 mianadahy). Milalao any an-tany katsaka manamorona ny ECAR Sainte Therèse sy ny CENACLE iny. Manao fangalampiery eran’ny elakelan- trano na mifanosika kalesa eny amoron’arabe.

Naiditra nianatra tao amin’ny Collège Saint Joseph tao Ambavahadimangatsiaka ny lahy, ary tao amin’ny masera La Providence, ny vavy. Alaina sy aterin’ny posiposy ry zareo tamin’izany. Nisy andro ihany koa anefa nandehanany an-tongotra ka mandalo eny an-tsenan’Asabotsy eny, manamorona an’Andranomaimbo mba hihazo an’Ambavahadimangatsiaka.

Somary niova ny tontolo nivelarany, indrindra ny tany am-pianarana. Teo aloha ny fenitra napetraky ny kôlejy tamin’ny fitafiana sy ny fanamiana. Tsy mahazo manao kapa, tsy maintsy mitondra lobaka fotsy madio sy tsara pasoka, ary kilaoty na pataloha mainty. Teo ihany koa, ny fampiasana ny teny frantsay ranoiray. Voasazy izay miteny malagasy. Maro ireo teratany vahiny niara-nianatra taminy. Nisy Sinoa, Karàna, Norveziana, Frantsay ary Malagasy vitsivitsy.

Rehefa nifindra trano teny Ambavahadimangatsika ry zareo (desambra 1969), dia nipetraka tamina trano mitokana (villa) misy tokotany malalaka. Nofolahan’ny rainy ho zaridaina fambolena anana io, ary nanana anjara toerana tokony ho 64 metatra tora-droa. Samy namboly teo izy mianadahy avy. Ny azy dia : voatabia, anamamy, sôzà, karaoty ary laisoa no namboleny teo.

Anisan’ny fialam-boly nahafinaritra azy tao Antsirabe ny fitondrana azy ireo mitsangantsangana eny Andraikiba sy eny Vinaninkarena.

Nambarany ihany koa fa anisan’ny nanamarika ny fahazazany tao Antsirabe ny filaminan’ny tanàna sy ny fahatsoran’ny fifandraisam-piarahamonina.

Ny volana jona 1971 dia voatendry hiasa teto an-drenivohitra ny rainy. Feno valo mianadahy ny zanany tamin’izany, ary vao telo volana ny an-tanana indrindra. Ny fifindrana teto Antananarivo moa tsy dia nametraka olana satria notazonina foana ilay trano nohofaina teo Mahamasina Atsimo. Novidian’ny rainy aza ny ampahany andrefana tamin’ny tokotanin’io trano io taty aoriana. 36

1-2-2- ny fitaizana sy fanabeazana azony nandritra io vanim- potoanan’ny fahazazany io Matetika dia misy akony eo amin’ny toetran’ny olona rehefa lehibe, ny fomba nanabeazana azy, fony kely. Misy mihitsy aza ireo mpandinika no milaza fa tsy mety miala ao amin’ny olona mihitsy io toetra maha-zaza azy io, saingy takona fotsiny izy amin’ny fotoana sasany. Tsy dia azo lazaina ho voajanahary ao amin’ny olona anefa ny toetrany, fa mazàna dia ny hafa no manefy azy. Anisan’ireny ny ankohonana sy ny fiarahamonina. Hoy RANDRIAMIADANARIVO : « miankina amin’ny fahaizan’ny zaza koa ny voninahitry ny Ray aman-dReny sy ny tokantrano na ny tanàna izay nitaiza azy »32

Izany indrindra no antony hizaràna roa ny fitaizana sy fanabeazana azon’ANDRIANETRAZAFY Hemerson teo amin’ny androm-pahazazany, dia izay nataon’ny tao ankohonana mivantana, ary izay niarahana tamin’ny fiarahamonina.

1-2-2-1- ny fitaizana sy fanabeazana azony teo anivon’ny ankohonana Antoka iray lehibe manefy ny tsangan-kevitra hijoroan’ny olona iray ny fanabeazana azony teo anivon’ny Ray aman-dReniny. Ny ankohonan’ireo nahitana masoandro mantsy no fiarahamonina hitan’ny zaza voalohany indrindra. Hoy i A. MAKARENKO milaza izany : « ny fianakaviana dia tsy vondron’olona voafehin’ny rohim-pihavanana fotsiny, fa sady fiarahamonina voalohany no fiaraha-miaina ara- pifandraisan’ny olona »33.

Karazam-panabeazana maro lafy no notovozin’ANDRIANETRAZAFY Hemerson teo amin’ny ankohonan-dRay aman-dReniny. Nahazo ny tandrify azy avokoa, na ny ara-batana, na ny ara-tsaina, indrindra ny ara-panahy. Izany hoe : tena namolavola ny naha olona feno azy ireo masoandro amam-bolany.

Teo amin’ny ara-batana dia tena nanamarika azy ny hasiahan’ny rainy. Isaky ny nisy ditra natao, dia voadaroka hatrany. Indrindra moa ny hakamoana mianatra, ny

32 RANDRIAMIADANARIVO, Sekolin’ny Ntaolo, Edisiona Imarivolanitra, Antananarivo, 1980, tak : 32 33 A. MAKARENKO, Œuvres en trois volumes, les poèmes pédagogiques, p : 09 « la famille n’est pas simplement le voisinage des personnes unies par des rapport familiaux, c’est aussi une collectivité, la cellule naturelle et première de la société, … » 37 tsy fahaizana ary ny tsy fahavitana ny asa nampanaovina. Raharaha tsy mba vita amin’ny teny mihitsy izany fa tsy maintsy miafara amin’ny kapoka. « Tsaroako tsara indray antoandro izay, tamin’ny fahaenin-taonako, nitokona tsy nety nandeha nianatra aho. Nokapohina mafy aho, kanefa tsy nety nandeha mihitsy. Nony farany, dia nampisafidianan’ny raiko aho, na andeha hianatra, na hiandry gisa. Nisafidy ny hiandry gisa àry ity izaho ! teo no ho eo ihany, dia nirahiny namoaka ny gisanay miisa efapolo, avy tao am-pisoko aho. Nanenjika azy ireo nanodidina ny trano. Ny andro anefa tamin’io avy oram-be ka tena sahirana aho ! izaho koa moa mbola zaza rahateo. Ny raiko kosa mitazana ahy eo ambaravaran-kely ary mibaiko ahy hampivondrona ireo gisa marobe (…). Nony farany, nantsoina hiditra tao an-trano aho. Efa kotsan’ny orana tanteraka. Naverina tamiko ny safidy, kanefa mbola tsy niova tamin’ny hevitro mihitsy aho. Navoaka tany an-tokotany indray aho, ary nasaina nanenjika ireo gisa sy nampiditra azy. Rehefa izany dia nampisafidianana indray aho, na hianatra na hiandry kisoa. Teo dia mbola nisafidy ny hiandry kisoa indray aho. Nobatainy àry ity izaho ka nalefany tao anatin’ny tranon-kisoanay. Navelany notrongitrongisin’ilay biby tao aho. Io kisoa io moa tena goavana dia goavana tokoa. Nihorakoraka sy niantsoantso vonjeo tao aho, ka olona mpifanolo-bodirindrina taminay no namoaka ahy tao. Nanomboka teo dia tsy mba sahy namaly ny raiko tamin’ny resaka fianarana intsony aho, fa nanaraka sy nanatanteraka izay nampanaoviny ahy rehetra.34»

Teo amin’ny ara-tsaina ihany koa, dia tena nanefy azy ho tia vaky boky ny Ray aman-dReniny. Matetika dia boky hatrany no fanomezana atolotry ny rainy azy. « Ny lalana mba hitako voalohany sy nandehanako irery teto Antananarivo, dia ny miala eo Mahamasina Atsimo, nisy ny toeram-ponenanay ; mihazo ny tranombokim- pirenena, izay mbola teny Antaninarenina, tamin’izany fotoana izany (…) »35. Ankoatra ny famakiana boky, dia nozarina hanoratra ihany koa izy hatramin’ny fahakeliny. « Rehefa nahay nandrafitra fehezanteny aho, dia nasain’ny raiko mitantara ny zavatra rehetra nataoko nandritra ny tontolo andro, ao anaty takelaka miisa efatra. Savainy isan-kariva izy io. Tany am-piandohana, dia narafitra tamin’ny teny malagasy, ary nony tato aoriana kely, dia natao tamin’ny teny frantsay indray »36.

34 Resadresaka ny 05-11-2015, op cit 35 Resadresaka ny 05-11-2015, op cit 36 Resadresaka ny 05-11-2015, op cit 38

Teo amin’ny fikoloana ny ara-panahy kosa, dia nobeazina tamin’ny fomba kristianina izy, ho tia sy mandàla ny fahamarinana, ary tsy mba nahay nandainga. « Indray andro izay, tany Soavinandriana, efa nianatra tao amin’ny chers frères aho (1967). Niditra tao an-dakilasinay ilay mompera vazaha “curé” tao amin’ny fiangonana katôlika. Niresaka taminay momba ny finoana sy ny fivavahana izy. Avy eo dia nampiseho sary roa lehibe teny aloha. Ny iray, sarina demony be tena nampitahotra ahy, ny iray kosa, sarina paradisa tsara tarehy ! Nanazava taminay ny hevitr’ireo sary ireo izy, ary nony avy eo dia nanontany anay hoe : “iza ry zanako no tsy namonjy lamesa tamin’ny maraina ?” Nifitsaka avokoa ny ankizy rehetra fa izaho irery kosa no nanangan-tanana. Nasain’ilay mompera nankeny aloha aho ary nokapohiny mafy dia mafy tokoa. Namaivay daholo ny lohan-tanako rehetra, ny sandriko, ny tongotro ! Rehefa afa-po tamin’ny fikapohana ahy izy dia nasainy nijoro tamin’ny tongotra ilany teo an-joron-trano aho nandritra ny antsasak’adiny ! Ny ampitso, vao maraim-be aho dia niomana handeha hamonjy lamesa”.37 Teo amin’ny sehatry ny finoana kosa, dia mpino tao amin’ny FJKM ireo Ray aman-dReniny. Araka izany dia io finoana io no nitaizana azy, na dia saika tany amin’ny sekoly katôlika hatrany aza izy no nianatra. Tena nafana fo tokoa tamin’ny fanetsiketsehana ny fikambanana samihafa tao am-piangonana ny Rainy. Lehiben’ny fikambanan’ny tanora tao Soavinandriana Itasy mantsy izy, nandritra ny fotoana naharitra. Nazoto tamin’ny fikarakarana rehetra, indrindra ny fanomanana ny fankalazana ny Noely. Tsy azo lazaina ho nanara-drian-drano tamin’ny resaka finoana kosa i HEMERSON, fa nanana izay fiheverany taty aoriana.

Tsy ampy anefa ny fanabeazana ao ankohonana fotsiny, fa mbola manana anjara biriky koa ny tontolo manodidina sy ny fiarahamonina.

1-2-2-2- ny fitaizana sy fanabeazana azony teo anivon’ny fiarahamonina Rehefa afaka mampiasa ny tongony hamindra ny olona iray, dia tsy voasakan’ny Ray sy Reny hijanona ao an-tokantrano intsony, fa tsy maintsy mifanerasera amin’ny olona maro. Any an-tsekoly, any amin’ny fianakaviana, any amin’ny namana, sns.

37 Resadresaka ny 05-11-2015, op cit 39

Raha ny momba ny fifandraisany tamin’ny fianakaviany, dia azo ambara fa ivon-toerana fihaonamben’ny mpianakavy mihitsy ny toeram-ponenan’izy ireo tao Soavinandriana. Tao no famantanan’ny havan’izy ireo rehetra, rehefa nisy raharaha natao tany an-tanindrazana. Ny trano nonenan’izy ireo moa, na dia tsy nisy rihana aza, dia nalalaka mihitsy, ary antonona olona maro. Izany dia nanefy an’i HEMERSON ho hahay mifandray amin’ny karazan’olona rehetra.

Fa isan’ny olona tena akaiky azy teo amin’ny fianakaviany, hono, ny renibeny avy amin’ny reniny. Mazàna rehefa fialan-tsasatra ny andro, dia mankany ambanivohitra, Mahatsinjo hatrany izy manampy ny renibeny. Nandritra izany no nanabeazan’io renibeny io azy tamin’ny famakiana Baiboly. « Isaky ny mitsotsotra maka aina eo am-pandriana ny renibeko dia miantso ahy foana, ary asainy mamaky baiboly eo akaikiny eo aho. Io baiboly novakianay mianaka io dia tena mbola ilay tranainy be tamin’ny taonjato faha sivy ambin’ny folo. Mbola teny malagasy tranainy be tsy misy mampiasa ankehitriny intsony no nandrafetana azy. Rehefa nisy teny tsy azoko ny heviny, tamin’izany dia hazavainy amiko hatrany. Taty aoriana, rehefa nanoratra aho dia tsapako, fa mitamberina ato amiko ireny voambolana tranainy ireny ka mazàna hita any anatin’ny asa soratro. Efa im-pito voaverinay mianaka novakiana io baiboly io, manomboka amin’ny Genesisy ka hatrany amin’ny Apôkalipsy. Feno dimy ambin’ny folo taona aho no maty izy »38.

Niara-notezaina tamin’ny zana-kavany hatrany koa izy. Anisan’ireny, ny zanak’anabavin’ny rainy, ny zana-drahavavin’ny reniny, sns. Ireny olona ireny no tena zoky sy solon-dRay aman-dReny ho azy ireo tao an-trano rehefa tsy eo ny olon-dehibe. Ary mandraka ankehitriny aza, dia mbola manana fifandraisana akaiky amin’ireny olona maro samihafa ireny izy mianadahy avy.

Ny fitiavana mamaky boky, ny fahalianana tamin’ny sary, ny fanamboarana zaridaina na fambolena kely, ireo no tena nanamarika ny fahazazan’i HEMERSON. Ny toerana rehetra nivelarany mantsy dia niara-dalana taminy hatrany ireo. Azo lazaina fa nataony ho fialamboly mihitsy. Hojerena ao amin’ny andininy manaraka indray ny fahatanorany ka hasongadina amin’izany ny fivoarany.

38 Resadresaka ny 05-11-2015, op cit 40

1-3-ny fotoam-pahatanorana Rehefa tapitra ny vanim-potoanan’ny fahazazana dia mizotra mankany amin’ny fahatanorana indray ny olombelona. Ambaran’ny mpandinika toa an- dRABETAFIKA, fa ity dingana manaraka ny fahazazana ity no hanomanana sy hananganana ny ho avy rehetra. Hoy izy : « izay rehetra tian-ko vanona tsara dia tsy maintsy haorina amin’ny andro fahatanorana »39. Araka izany dia anisan’ny vanim- potoana manan-danja ihany koa izy ity. Ankoatra ny filofosana amin’ny fianarana tokoa mantsy, dia eto ihany koa no fotoana hidirana amin’ny sehatry ny asa sy ny tokantrano.

Aseho eto amin’ity andininy ity àry ny niainan’ny mpanoratra sy nandalovany io dingana io, ka nizorany nankany amin’ny tontolon’ny olon-dehibe, manana ny maha izay azy eo amin’ny fiainany. Indroa miantaona no entina mamahavaha izany : hofantarina aloha, ny toe-javatra nanamarika azy nandritra io vanim-potoana io, mialoha ny hijerena ireo toetra nampiavaka azy tamin’izany fotoana izany.

1-3-1- ireo toe-javatra nisongadina nanamarika ny fahatanorany Zana-tohatra voalohany tsy maintsy dinganina hirosoana amin’ny fahatanorana ny fialàna sakana. Nambaran’ny mpanoratra fa taorian’ny fahadimy ambin’ny folo taonany izy vao nahatsapa fa tena niaina izany. Hoy izy : « Teo amin’ny faha 12 ka hatramin’ny faha 15 taonako teo aho dia tena mbola zaza hendry be mihitsy. Tsy mba nahay niteny ratsy izany, ary na dia ny nanao « ialahy » olona aza dia tsy mba nataoko mihitsy satria bedy izahay raha nanao izany. Tamin’io vanim-potoana io dia tsy mba tia mivoaka ny trano aho. Ny tena fialamboliko dia ny mamaky boky, manao zaridaina, sns. Izahay koa moa nanao trano tao Mahamasina Atsimo tamin’io fotoana io, ka dia raikitra tao aho manampy ny olona mitaona tany, manao biriky, mandrafitra, sns”40.

Rehefa afaka C.E.P.E- 6ème izy dia niditra nianatra tao amin’ny C.E.G Tsimbazaza. Nambarany fa tiany ny nianatra tao amin’io sekoly io satria tsara toerana, somary takontakona sy be zava-maitso ary akaiky ny tranony ihany koa. Ny ora sasany sendra banga dia nandehanany, niaraka tamin’ny mpiara-mianatra taminy, mitsangantsangana ao amin’ny valan-java-boaarin’ny Tsimbazaza. Nisy zava-

39 RABETAFIKA (J), « Tsy kivy, tsy ketraka, sambatra”, mpanolo-tsaina, lah : 166, okt 1943 40 Resadresaka ny 18-11-2015, 9ora, Tahala Rarihasina 41 nanahirana azy ihany anefa ny fianarana natao tao. Nambarany fa tsy nanavanana azy loatra ny taranja siantifika, indrindra ny matematika. Ny taranja literera no tena nahombiazany. Nolazainy fa niteraka fanilikilihan’ny namany azy io fahaizany misimisy kokoa io satria nihatakatahan’ny ankizy izy. Araka izany dia nanomboka nitady ny fomba rehetra mba hahazoany namana tany an-tsekoly. Niezaka nanaraka izay nitarihan’ny mpiara-mianatra azy izy, anisan’izany ny fifohana sigara sy ny fisotroana toaka. Hoy izy : « indray andro izay, nisy tovovavy mpiara-mianatra taminay tao Tsimbazaza, nanasa ny namany fa hanao lanonam-pianakaviana. Teny Tsaralalàna ny toeram-ponenan’izy ireo. Fantatra fa hisy alim-pandihizana ny alina ka dia nifanao fotoana izahay valo lahy, mpinamana tao an-dakilasy, fa handeha ho any. Rehefa tonga teo amin’ny Fasan-dRainiharo izahay ny hariva, dia henonay fa tsy mbola manomboka ny lanonana. Tapa-kevitra àry izahay fa andeha hitady toaka hosotroina, any Isotry, aloha. Nanambatambatra vola dia nifampitarika nandeha. Nahazo tokoa izahay, ary dia lasa niakatra niverina teny Isoràka nihainohaino sao manomboka ilay fety. Mbola tsy nanomboka ihany anefa ka dia nitaona ahy hiverina hanampy ilay toaka indray ireo namako. Tsy nety nanaraka azy ireo aho, fa nisafidy ny hiandry teo amin’ilay toerana nijanonanay, miaraka amin’ilay efa novidiana voalohany. Teo dia nitsiry tato anatiko ny fitiavana te hanandrana ka dia nosokafako ilay tavoahangy ary dia nisotro kely aho. Toa mamimamy izany ny tsirony ka dia nampiako indray. Nony farany dia nogohiko daholo ny iray tavoahangy. Teo no ho eo aho dia tsy naharay tena intsony, fa nitolefika teo am-pototry ny andrin-jiro iray aho (…) ! Iny fotoana iny no nisotroako toaka voalohany indrindra »41.

Nanomboka teo dia tena nisy fotoana mihitsy, hono, nifaninanany nisotro toaka niaraka tamin’ny namany, ary matetika izy ireo no mamo any am-pianarana. Hoy ny fitantarany : « tamin’ny taona 1977, nisy fotoana nitarihan’ny namako ahy andeha hisotro toaka tany Soanierana. Niaraka nisotro teo izahay, ary dia nandeha ny resaka. Niteny tamiko ireto namako fa misy olona mila ady amin’izy ireo, hono. Nentin’ny hambom-poko àry ity izaho ! Efa mamomamo rahateo koa moa ka dia lasa nandeha hizaha ireo olona ireo izahay 12 lahy. Nony tonga tany dia hitako fa tovolahy goavana be miisa enina no teo anoloanay ! Tovolahy avy eny Besarety izy ireo ary nandeha

41 Resadresaka ny 18-11-2015, op cit 42 nanafika ireto namako izay mianatra eny Tsimbazaza. Avy hatrany aho dia nanatona nihantsy sy nanao vava be, ary nanaisotra izay nanelingelina ahy rehetra teny an- koditro ! (…) Niherika aho hijery ireo namako, hay efa tsy nisy teo intsony izy rehetra, fa efa lasa nitazantazana ahy ery alavitra ery . Avy hatrany aho dia nitambaran’ireto enin-dahy ka saika afaka teo ny aiko ! Soa ihany fa nisy zandary nivoaka tampoka avy tao amin’ny Antenimieram-bahoaka teny Tsimbazaza, ka rifatra nitsoaka ireo namono ahy ! Saika tsy tafatsangana teo aho. Naratra mafy sy tapaka ny taolako, ary dia tsy afa-nihetsika teo am-pandriana aho nandritra ny iray volana sy tapany ! Nanomboka tamin’izay, dia tsy mba tia miadiady aman’olona intsony aho ary raha vao misy fifamaliana mety hiafara amin’ny fikasihan-tanana, dia mandosidositra hatrany aho »42.

Ankoatra ny kilalaom-pitia izay maharevo ny tanora miala sakana rehetra, matetika dia eo ihany koa no manomboka ny fahasahiana amin’ny toe-javatra samihafa. Anisan’ireny ny fingitrihana tsy mandeha mianatra. Hoy ihany ny mpanoratra : « tsy dia nahazatra ahy loatra ny hoe mingitrika ! Indray andro izay anefa diso fidirana aho. Nanao ny taranja frantsay izahay tamin’izay. Nandroso aho, ary nodinihan’ilay mpampianatra tsara ny endriko sy ny fitafiako. Izaho moa tamin’izany tena lava volo be sady nanao kavina ary niambozona vakana karazany fito. Nasainy nesorina ireo kanefa tsy nety aho, ka dia noroahany hivoaka. Teo dia nahita ireo namako nanao baskety teo an-tokotany aho ka rafitra nanala akanjo sy nilalao teo ihany koa. Tazan’ilay mpampianatra teo indray aho, ary dia niantsoany « surveillant général ». Nalain’izy io teo aho, ary notaritaritina nankany amin’ny birao. Nampanantsoina handalo any am-pianarana ny Ray sy Reniko tamin’izany. Nanomboka teo dia lasa tiako ny tsy mianatra fa manao baskety miaraka amin’ny namako! »43.

Ny taona 1977 dia voaroaka tao amin’ny CEG Tsimbazaza izy, saingy afaka BEPC -2nde ka dia nianatra tao amin’ny LMA indray.

Niara-dalàna taminy hatrany, nandritra ny fahatanorany, ary mandraka ankehitriny mihitsy aza, ny fitiavana fanatanjahan-tena. Io rahateo no nambarany fa

42 Resadresaka ny 18-11-2015, op cit 43 Resadresaka ny 18-11-2015, op cit 43 arofanina namefy azy tsy hivoana tany amin’ny ditra goavana tamin’izany. « Tena tia fanatanjahan-tena ny raiko, ary izy mihitsy no nandrisika sy nandrotsaka ahy tao anatin’io sehatra io. Izaho rahateo moa tamin’izany, zaza botabota sy boribory ary somary bonaika izay. Notereny hifoha tamin’ny 4 ora maraina aho tany am- piandohana ary tsy maintsy mihazakazaka mihodidina in’efatra eo amin’ny kianjaben’i Mahamasina. Tany am-boalohany, dia tena mafy tamiko tokoa izany, saingy nanjary fahazarako mihitsy tato afara. Nazoto nanao ny fanazaran-tena rehetra aho, ary nirotsaka nanao baskety ihany koa »44.

Marobe ireo tranga nanamarika ny niainan’ny mpanoratra ny vanim- potoanan’ny fahatanorany, fa santionany ihany ireo naseho ireo. Hojerena ato amin’ny andininy manaraka, kosa ireo toetra nampiavaka azy tamin’izany fotoana izany.

1-3-2- ireo toetra nampiavaka azy nandritra io dingana io Na dia azo lazaina fa maromaro ihany aza ireo setrasetra nataony nandritra io vanim-potoana io, dia nambarany fa tsy mba nanao antsirambina ny fianarana izy, ary namiratra hatrany tao an-dakilasy. « Tsy dia hoe mifofotra mianatra be no nampahay ahy tamin’izany, fa ny zavatra rehetra nataonay tany am-pianarana mihitsy no efa nilaozako ela. Mazàna dia tsy mba nisy vaovao tamiko ireny tany fa efa nampianarin’ny raiko ahy tao an-trano, na efa novinakiko tamin’ny boky daholo »45.

Betsaka ny toetra niavahan’i HEMERSON tamin’ny maro nandritra io vanim- potoanan’ny fahatanorany io. Ny tena nisongadina dia ny fifaneraserany betsaka tamin’ny tontolon’ny zava-kanto dia ny soratra, ny vaky boky, ny fanaovan-tsary, ny mozika, ary teo koa ny fanaovana sokitra.

Teo amin’ny tontolon’ny soratra, dia nanomboka nandrafitra tononkalo izy ny taona 1970. Tononkalo tamin’ny teny firantsay no narafiny voalohany. Tamin’izany, dia tena tononkalo manaraka fenitra tsara no nosoratany. Misy ngadona sy rima. Nifanakalo asa soratra tamin’ny namany ihany koa. Ny lohahevitra noresahany tamin’izany, hono, dia ny fitiavana sy ny alahelo. Taty aoriana anefa, namaky ireny asa sorany taloha ireny izy ka hitany fa toa zavatra mitoreoreo daholo no tao ka dia nodorany avy hatrany ireo. Hoy izy : « avy hatrany dia nodorako io kahie nirakitra ny

44 Resadresaka ny 18-11-2015, op cit 45 Resadresaka ny 18-11-2015, op cit 44 asa soratro, tamin’izany fotoana izany, io. Tsapako mantsy fa tena tsy izaho mihitsy no miresaka ao, fa toa namboly alahelo tato anatiko izany fotsiny aho. Niezaka nanoratra fihetseham-po hafa aho, dia ny haromontana sy ny hasambarana. Nanomboka tsy dia liana tamin’ny fampiasana rima intsony koa aho. Lasa natsatso tamiko ny fahenoana ireny satria efa nandasirana ahy hatramin’ny mbola kely. Tsy dia nanaitra ahy intsony ny loko sy ny hevitra entiny »46 . Nisy tononkalony iray mbola tadidiny ihany anefa tamin’izany, ka dia navadiny ho hira tato aoriana. Indro ny andininy iray :

« Ambanin’ny volana feno mazava izay rehetra henoina toa mihira mangina satriko foana e ! ny alina ho lava hitondra ny embona hanainga hafaliana ho tonga any aminy ny rivotra mitsoka toa mampahatsiahy fa any ho any koa misy olon-tsambatra mizara aminao amin’ny fo sy fanahy manonona tsy satry amin’ny feo tsy miambatra ny anaranao maminy».47 Ny fanaovana hira sy mozika dia tontolom-panahy nifampizarany tamin’ilay tovovavy namany izay lasa vadiny taty aoriana. Tao anatin’izany, ny fitendrena zava- maneno maro samihafa izay anisan’ny fialambolin’izy ireo. Ny vadiny rahateo, koa moa dia manoratra sy manao sary.

Io fitiavana mozika io, dia efa nitsiry tao aminy hatrany amin’ny androm- pahazazany, ary nitohy taty amin’ny fahatanorany. « Tamin’ny taona 1975 dia nifanojo ny andro fialan-tsasatra sy ny fiandrasana fody any ambanivohitra. Nandeha nankany amin’ny renibeko tany Ambohijatovo Moronkay aho niala sasatra, ary ny tena anjara raharahako tamin’izany dia ny miandry fody any an-tsaha. Mandritra ny tontolo andro dia mihazakazaka manenjika ireo fody eny an-tanimbary aho, ary mitety lohasaha maromaro. Tamin’izany dia mihorakoraka sy mihirahira izay tandrify ny

46 Resadresaka ny 18-11-2015, op cit 47 Resadresaka ny 30-11-2015, 9 ora tao an-tranon’ny mpanoratra 45 vavako aho, entina mandroaka ireo fody ireo. Marobe ny hirahira noforoniko tamin’izany. Nahafinaritra ahy io ampaham-piainako io”.48

Ankoatra ny tontolon’ny soratra, anisan’ny nibahan-toerana tao aminy hatrany ny fitiavana namaky boky. « Rehefa tafaverina teto Antananarivo aho, ny taona 1975 io ihany, dia nitohy hatrany ny fahazarako. Mandeha mamaky boky ihany no mba ivoahako ny trano. Indroa isan-kerinandro aho no manao izany. Miala ao an-trano aho, ary mihazo eny Antaninarenina, nisy ny tranombokim-pirenena. Efa fantatry ny mpiandraikitra tao moa aho tamin’izany, ka dia mijanona ao hatramin’ny 12 ora antoandro. Ny boky nisy sary no tena novakiako sy nahaliana ahy. Teo ihany koa anefa ny tantara samihafa. Rehefa avy mamaky boky ao aho, dia mihazo ny lalana midina ny tohatohabaton’Antaninarenina iny ary dia mihakatra eny amin’ny tohatohabaton’Ambondrona indray mba hividy boky tonta. Tamin’izany dia 10 na 20 ariary no vidin’ny boky iray. Indraindray anefa, tsy manam-bola aho fa dia mandeha eny ihany, satria na dia mamadibadika boky fotsiny aza dia efa fahafinaretako. Rehefa avy eny aho, dia miverina mankao Tsaralalàna indray. Mipetraka mamaky boky tao amin’ny « Tout pour l’Ecole »49, ary rehefa hariva ‘ndeha hanidy trano ireo mpiandraikitra tao, vao maka ny boky novakiako. Tena nilafika tamin’ny vaky boky hatramin’ny fahakeliko aho »50.

Nivoatra ihany koa teto amin’ity vanim-potoana ity fitiavany ny kanto teo amin’ny endrika amam-bika. Ankoatra ny fahazarany tamin’ny vaky boky, ny fanatanjahan-tena, ary ny sary sy ny soratra mantsy, dia nanomboka teto amin’ny fahatanorany ihany koa ny fanaovany sokitra. Ary dia niara-dalana hatrany ireo. Hoy izy : « tamin’ny fotoanan’ny fahatanorako dia nalaza be ny pataloha jean. Ny maro tamin’ireo namako dia tia nihaingohaingo sy nanaraka ireny zava-baovao ireny. Izaho moa tsy dia mba nanam-bola loatra, satria ny vola betsaka indrindra omen’ny raiko ahy, dia ariary efatra atao saran-dalana. Noho izany dia nitady hevitra aho mba hiavahako tamin’ireo namako ireo. Isaky ny nahita tapa-damba tsaratsara aho, dia nozairijairiko ho lasa akanjo. Tsy dia tsara sy nanara-penitra loatra ny fanaovako azy, saingy niavaka kosa. Rehefa vitako ny akanjo, dia nofenoiko karazana sarisary

48 Resadresaka ny 30-11-2015, op cit 49 Trano fivarotam-boky teo amin’ny rue du Nice, Analakely 50 Resadresaka ny 30-11-2015, op cit 46 mahafinaritra ahy. Anisan’ireny ny sarina voromahery, sns. Nisy fotoana, nividy lambahoany ihany koa aho, ary nozairiko ho lasa akanjo ilay izy. Nataoko toy izany koa ny kapa. Tsy ireo ihany no nataoko, fa teo koa ny sokitra. Rehefa mahita taolana aho tamin’izany, dia nalaiko ary sokiriko tsikelikely eo, ka nahavitako kavina na vakana. Nanaovako sy niambozonako avokoa ireny”51.

Nitady izay “maha singa” miavaka azy tamin’ny sarambaben’ny olona, hatrany amin’ny androm-pahatanorany i HEMERSON. Ny fidirana betsaka teo amin’ny tontolon’ny kanto no tena nampiavaka ny androm-pahatanorany. Hita fa havanana sy nanan-talenta tamin’ny fikirakirana ny zava-kanto atao amin’ny tanana ihany koa izy. Niara-dalana tamin’izany mandrakariva ny soratra sy ny sary.

Hasiana teny manaraka ny fianarana sy fiofanana nataony.

51 Resadresaka ny 18-11-2015, op cit 47

TOKO FAHAROA : NY TANJOZOTRA NIVOARAN’NY MPANORATRA Anisan’ny toe-javatra miantoka ny toerana hametrahan’ny mpiara-belona sy ny tontolo manodidina ny tena, eo amin’ny fiarahamonina, ny tanjozotra nivoarana. Ankoatra ny toe-javatra ara-boajanahary, toy ny fananana ny tanindrazana niaviana sy ny loharano nipoirana mantsy, dia anisan’ny handrefesana ny olona iray ihany koa ny fiezahany sy ny fihoirany teo amin’ny fiainana. Mazàna dia ny dingana vitany teo amin’ny fianarana amam-piofanana samihafa, ary koa ny asa amana andraikitra nosahanina na sahanina no asongadina amin’izany. Tsy ireo ihany anefa ny maha olona singa ny tsirairay, fa eo indrindra koa ny foto-kevitra ijoroany. Ity farany izay tena iavahan’ny isam-batan’olona amin’ny maro tokoa.

Lafin-javatra telo no hasongadina eto amin’ity toko ity ho enti-mamantatra ny tanjozotram-piainana nivoaran’i HEMERSON :

- eo am-panombohana, no hijerena ireo sehatra nivelarany teto Madagasikara ; - ankoatra izany, dia hasiana teny ny fivoarany tany ampitan-dranomasina ; - hosintonina, ihany koa ny foto-kevitra heverina fa iavahany amin’ny sarambabem-bahoaka.

2-1- ireo sehatra nivelarany teto Madagasikara Raha ny momba ny tanjozotra nivoaran’ny mpanoratra teto Madagasikara no resahana, dia maro no azo ambara. Ankoatra ny fiangaliana ny tontolon’ny kanto mantsy, dia nanana izay nitoviany tamin’ny maro ihany koa izy. Anisan’izany, ny fianarana sy ny asa amana andraikitra sahanina. Ireto roa farany, araka izany, no hasongadina ato amin’ity zanaka andininy ity.

2-1-1- ireo sekoly namolavola azy sy ny mari-pahaizana azony Ny sekoly no anisan’ny ivon-toerana lehibe hanovozana fanabeazana maro lafy, ankoatra ny ankohonan-dRay aman-dReny. Araka izany, dia mety handrafitra ny ampahan-tsain’ny olona mihitsy izy. Maro ireo sekoly nandalovan’ny mpanoratra, ka namolavola azy teo amin’ny ara-tsaina, ara-batana, ara-panahy. ‘Ndeha hojerena ny momba izany. 48

2-1-1-1- ireo sekoly nianarany Mba hanasongadinana ireo toeram-pianarana maro nandalovany, dia haseho amin’ny endrika fafana izy ireo :

Taom- Sekoly nianarana Kilasy Pianarana 1965-1966 Sekolin-dry masera tao Soavinandriana Itasy Akanin-jaza

1966-1967 Collège Grandidier Ambodimanga Besarety 12ème

1967-1968 Misiona FFMA Soavinandriana Ambony 11ème

1968-1969 Saint Jean Baptiste de la Salle Soavinandriana Itasy 10ème

1969-1970 EPP Faratsiho 9ème

1970-1971 Collège Saint Joseph Ambavahadimangatsiaka 8ème Antsirabe 1971-1972 EPP Andrefan’Ambohijanahary 7ème

1972-1975 CEG Tsimbazaza 6ème-3ème

1976-1979 Lycée Moderne Ampefiloha 2nde- Terminale 1982-1986 Oniversiten’Antananarivo : Sampana Tantara 1ère-5ème année

Fafana faharoa : maneho ireo sekoly nianarany Ny azo ambara teo amin’ireo sekoly namolavola azy ireo, dia hita fa nandray roa teo amin’ny tenim-pirenena nenti-nianatra hatrany izy : andaniny, ny teny 49 malagasy, ary ankilany, ny teny frantsay. Nambarany ihany koa, fa aminy, ny teny frantsay dia tsy mba teny vahiny fa teny nibeazany mihitsy.

2-1-1-2- ireo mari-pahaizana azony Ny fianarana natao nandritra ny taona maromaro mifanongoa, no ahazoana ny mari-pahaizana. Io no porofo takian’ny fiarahamonina hanamarinany ny fikatsaham- pahalalana nataon’ny tena. Indro àry ny fafana maneho ireo mari-pahaizana azon’ny mpanoratra :

Taona Mari-pahaizana Sekoly nianarana

1971 CEPE EPP Andrefan’Ambohijanahary

1975 BEPC CEG Tsimbazaza

1979 BACC serie A1 Lycée Moderne Ampefiloha

1984 Licence en Histoire Université d’Antananarivo

1986 Maîtrise en histoire Université d’Antananarivo

1989 DEA en histoire Université d’Antananarivo

Fafana fahatelo : maneho ireo mari-pahaizana azony Nambarany, fa rehefa tonga taty amin’ny dingana namaramparana ny fianarany izy, dia nisedra olana maromaro. Anisan’izany ny tsy fahasalaman’ny vadiny, ny asa famelomana ny ankohonana, ary indrindra ny fanenjehana ny fianarana teny Ankatso. Na dia teo aza anefa izany, dia vita soa aman-tsara ihany ny fianarany. Nolazainy fa ny naman’izy ireo sy ny mpampianatra nitarika azy tamin’ny asa fikarohana nataony 50 no tena nanampy azy tamin’izany fotoana izany, na teo amin’ny ara-kevitra izany, na teo amin’ny ara-bola ihany koa.

Nirakitra tantara taminy ny nahazoany ny mari-pahaizana D.E.A. Hoy ny fitantarany : « indray asabotsy hariva (taona 1989), niasa tany Toliara aho tamin’izany fotoana izany, naharay telegrama, izay niteny tamiko mba handefa ny bokiko hiakatra aty Antananarivo. Voalaza tao, fa hiainga ho any Paris ny Alatsinainy herin’io ireo olona hitondra azy. Ny seminera moa efa vitako taty Antananarivo. Ny ampitso, Alahady, vao maraim-be aho no nanomboka ny asako, ary tsy niala teo am- pototry ny solosaina aho na andro na alina. Vitako tao anatin’ny herinandro ny asako, izay nisy takila miisa 123. Ny Alatsinainy vao maraim-be aho dia lasa nanenjika ireo olona hitondra azy, teny amin’ny seranam-piaramanidina. Nirimorimo tamin’ny fiara “land rover” aho andeha hanenjika ireo olona hitondra ny asako teny amin’ny seranam-piaramanidina. Hazakazaka tsy nisy toy izany, ary efa saika tsy nahatratra azy ireo. Lasa soa aman-tsara ny bokiko, ary izay aho vao namerina namaky azy sy nanao fanitsiana. Afaka fotoana vitsivitsy dia voaantso hiakatra taty Antananarivo aho hanohana am-pahibemaso ny asako. Avy hatrany dia natolotro ireo mpanadina ahy ny boky efa nahitsiko, kanefa tsy nanaiky nandray izany izy ireo. Marobe ireo fanakianana azoko teo. Afaka soa aman-tsara ihany aho ! »52

Raha izay àry ny teo amin’ny tontolon’ny fianarany, ndeha hidirana ato amin’ny tapany manaraka kosa, ny fiainany teo amin’ny sehatry ny asa.

2-1-2- ny asany Anisan’ny zava-dehibe miantoka ny fiainana manontolo ny fananana asa fivelomana. Io mantsy no enti-manatsara ny zotram-piainan’ny tena sy ny ankohonana. Eto dia hozaraina roa ny fanehoana izany : andaniny, aseho ny asa fampianarana niandraiketany nandritra ny fanompoam-pirenena53, ankilany, holazaina ny andraikiny taorian’izany.

2-1-2-1- ny asa fampianarana nandritra ny fanompoam-pirenena Niditra voalohany teo amin’ny sehatry ny asa izy ny taona 1979. Vao nahazo ny « baccalaureat », mantsy izy tamin’izany fotoana izany, ka voatendry hanao asa

52 Resadresaka ny 21-11-2015, 8ora tao an-tranon’ny mpanoratra 53 Services Nationales 51 fanompoam-pirenena tany amin’ny Lycée Victor Miadana Mandritsara. Ny fampianarana ny taranja frantsay tao amin’ny kilasy fahenina (6ème), ka hatramin’ny kilasy fahasivy (3ème) no niantsorohany tamin’izany. Nambarany fa nahafinaritra azy iny ampaham-potoana nonenany tany amin’ny faritra Avaratry ny Nosy iny. Hoy ny fitantarany : « ny taona 1980, dia voatendry hanao ny fanompoam-pirenena tany Mandritsara aho. Fiaramanidina no nitondra anay niala teto Antananarivo hihazo an’i Mahajanga. Teo am-piandrasana ny fiara be hitsinjara anay rehetra ho any amin’ny toerana nahavoatendry anay tsirairay avy, dia nitoby tao Mahajanga izahay rehetra. Rehefa tonga ny fotoana hiaingana dia nentina fiara be niisa enina izahay, ary notsinjaraina isaky ny tanàna nahavoatendry. Enina ambin’ny folo mianadahy izahay no najanona tao Mandritsara (…). Nahaliana ahy ny fiainako tamin’izany, satria nampianatra ahy hahay mifandray aman’olona kokoa. Niara-nonina tao amin’ny trano iray mantsy izahay ireo, ary nifampizarana avokoa ny fandaniana rehetra, toy ny : hofan-trano, sakafo,…Tao anatin’izany fiarahana nonina izany, no nisehoan’ny talenta maro. Nisy taminay ireo no nahay nitendry zava-maneno, toy ny : valiha, gitara,….Rehefa navondrona ny talentanay, dia tapa-kevitra izahay fa hanao fampisehoana goavana ao Mandritsara. Nomasahana tsara ny zavatra hatao, ary izaho moa tamin’izany, ankoatra ny fitendrena sy ny fihirana teny an-tsehatra, dia niandraikitra ny fanamboarana ny peta-drindrina, ihany koa. Nataoko hosodoko tsara tarehy ireny »54

Ankoatra ny asa fampianarana niandraiketany tany, dia nilona betsaka tamin’ny tontolon’ny zava-kanto hatrany izy. Tamin’izany fotoana izany, no nambarany fa nianarany nitendry valiha tamin’ireo namany.

Maro ireo tranga nolazainy, fa nanamarika ny fahatsiarovany. Anisan’ireny ny nandehanany an-tongotra niala tany Mandritsara hiakatra aty Antananarivo. Hoy izy : « fotoana fialan-tsasatry ny mpianatra tamin’izay. Efa voaomana mialoha, fa handeha any Toamasina ny fianakavianay, ka dia hiakatra aty Antananarivo aho. Izaho moa tamin’izany, anisan’ny olona be rendrarendra sy mpandanilany foana, hany ka rehefa tonga ny fotoana tokony handehanana, dia tsy nanana saran-dalana aho. Tsy izaho irery anefa fa nisy efatra mianadahy izahay no tafajanona tany. Tapa-

54 Resadresaka ny 21-11-2015, op cit 52 kevitra àry izahay ireo, fa handeha an-tongotra. Ny ampitso, tamin’ny telo ora maraina, dia niainga izahay. Nentina ny akanjo maivana sy ny gitara, ary nisalorana ny fanamiana mba hitokisan’ny olona ny tena, rehefa tafandry an-dalana. Niala tao Mandritsara izahay, dia nihazo an’i Befandriana Avaratra, tonga tao Antsohihy. Tao, dia tsy naharaka intsony ilay tovovavy namanay, ka dia nalefa fiara mpitondra entam- barotra izy. Nampiarahana taminy avokoa izay fitaovaa sy kojakoja nanavesatra anay rehetra. Nizotra ihany ny dia, ary tonga tao Anahidrano izahay telo lahy. Teo dia nahita fiaran’ny zandary izahay, ka nentiny hatreo Mampikony. Nandry tao izahay ny alina, ary nandray anay tsara ny mponina tao an-tanàna. Nampitondra vatsy ho anay aza izy ireo, rehefa hanainga izahay ny ampitso maraina. Ny alina nanaraka iny, dia nolanianay tao Ambondromamy. Rehefa nihazo an’i Maevatanàna ny ampitso, dia nahita fiarabe mpitondra entam-barotra miakatra aty Antananarivo izahay, ka niangavy ny mpamily mba hitondra anay. Nanaiky izy, ary nanampy azy tamin’ny fampidinana sy fampakarana entana izahay teny an-dalana. Rehefa nigadona tao amin’ny 67 Ha ny maraina tamin’ny 2 ora, dia samy namonjy ny fodiany avy. Izaho moa, nizotra nankeny Mahamasina Atsimo nisy ny toeram-ponenanay. Ny androtr’iny, tamin’ny 6 ora maraina izahay mianakavy, dia lasa namonjy fiaran-dalamby niainga nankany Toamasina (…). Rehefa tonga kosa ny fotoana hiverenako tany Mandritsara taorian’ny fialan-tsasatra, dia nomen’ny raiko vola nandehanana fiaramanidina aho ».55

Nambaran’ny mpanoratra, fa io fotoana io no nahatsapany ny fifankatiavana sy ny fifanampian’ny Malagasy. « Nanomboka teo, dia tena halako sy tsy tiako ny fampiadiana ny samy Malgagasy amin’ny resaka mandranitra adim-poko eto Madagasikara. Toy izany ihany koa ny fanavakavahana. Izay toerana rehetra nalehako tamin’izany, mantsy, dia nandray tsara ahy hatrany ny olona tao. Tsapako, fa ny Malagasy dia mifankatia sy mifanampy ary tena mahay mandray vahiny »56.

Rehefa vita ny asa fanompoam-pirenena tamin’ny faramparan’ny taona 1980, dia niditra nianatra teny amin’ny oniversiten’i Madagasikara indray izy. Tamin’ny fiandohan’ny taona 1981. Teo ihany koa, no fotoana nahatapa-kevitra azy hanorin-

55 Resadresaka ny 21-11-2015, op cit 56 Resadresaka ny 21-11- 2015, op cit 53 tokantrano. Ankoatra ny fianarana natao àry, dia nanomboka niditra tanteraka teo amin’ny tontolon’ny asa izy.

2-1-2-2- ireo asa nosahaniny Niditra nianatra teny amin’ny oniversiten’Antananarivo izy, ny taona 1981. Ny Sampana Tantara no nosafidiany harahina. Efa nanan-tokantrano izy tamin’izany fotoana izany, ka ankoatra ny fanenjehana ny fianarana, dia tsy maintsy niasa ihany koa. Karazana asa an-tselika maro no nosahaniny. Teo ireo ampiasana herin-tsandry, tahaka ny : fitaterana biriky, ny fitaomana vato, sns. Nampianatra an-tselika ireo ankizy hanala fanadinana ihany koa izy. Ankoatra izany, dia ny fanamboarana sarin’olona na peta-drindrina, sy ny maro hafa. Nisy ihany koa ampaham-potoana sasany tamin’izany niasany tao amin’ny arsivam-pirenena ho an’ireo mpikaroka tsy manam-potoana hanangonana akora hoenti-misaina.

Ankoatra ny karaman’ny vadiny tamin’ny asa fampianarana sy ny fanjairana dia ny vatsim-pianarana noraisina teny Ankatso, ihany koa no nambarany, fa anisan’ny nanampy betsaka ny fiveloman’izy ireo tamin’izany.

Ny taona 1985, teo andalam-panomanana ny « maîtrise », izy no nahazo asa tany Toliara. Izy no mpiandraikitra ny fitanana an-tsoratra sy ny famoahana ny voka- pikarohana tao amin’ny (E.R.A), M.R.S.T.D/O.R.S.T.O.M. Maromaro ny fahasahiranana nosetrainy tamin’izany. Hoy izy : « rehefa nahita asa tany Toliara aho, dia lasa nidina nankany. Mbola nanao fitsapana momba ny fahaizana ny asa vao noraisina. Voaray soa aman-tsara aho ary nomena toeram-ponenana mitokana. Ny ankohonako moa nijanona taty Antananarivo ihany. Ny vadiko tamin’izany marary mafy ary naiditra hôpitaly teny Soavinandriana. Ny zanakay kosa voatery napetraka tany amin’ny rafozako tany Ambatolampy. Indray maraina izay anefa, tonga tampoka tany Toliara ny vadiko, ary niantso ahy sy nilaza tamiko hitsena azy teo amin’ny paositra (akaikin’ny toeram-piasako izy io). Akory ny hatairako sy ny hafaliako ! Niara-nonina tany izahay roa nanomboka teo.Taty aoriana kely, dia tafiditra niasa tao amin’ny O.R.S.T.O.M ihany koa izy, ka dia niara-niasa tao izahay. Nohafarana nidina nankany ireo zanakay, ary naharitra folo taona teo no nonenanay tany »57

57 Resadresaka ny 21-11-2015, op cit 54

Nolazain’ny mpanoratra, fa nandritra io ampaham-potoana voalaza io, dia tsy dia namokatra asa soratra loatra izy, satria variana tanteraka tamin’ny asa. Ny sary, sy ny hosodoko no nataony teny antsefatsefam-potoana teny.

Ankoatra ny asa, dia nilofo hatrany tamin’ny fianarana izy. Tao anatin’ny fotoana namitana ny « maîtrise » sy ny D.E.A rahateo izy tamin’izany. Nandalina mikasika ny « haikantom-pandrazanana any amin’ny faritra Atsimo », rahateo moa izy tamin’ny asa fikarohana nataony.

Araka ny nambaran’ny mpanoratra hatrany, dia nahafinaritra azy io ampaham- potoana niainany tany amin’ny faritra Atsimon’ny Nosy io. Ny asany nizotra tsara, ary ny vadiny ihany koa salama. Ny taona 1990, dia nahazo vatsim-pianarana roa samihafa handrantoana fahaizana tany ivelany izy : ny voalohany, dia nomen’i Sorbonne, handalinana ny tantaran-java-kanto ; ny faharoa, kosa dia natolotry ny O.R.S.T.O.M handalinam-pahaizana, ao Paris-I Sorbonne. Hasiana teny ny momba izany.

2-2- ny tany ivelan’i Madagasikara Ankoatra ny fivelaran’ny mpanoratra teto an-tanindrazana, dia mbola nisy fotoana ihany koa nandehanany nandranto fahaizana sy nonina tany « Ampita », nanomboka ny taona 1990. Nambarany fa sambany nivoahany ivelan’i Madagasikara io, ka nisy ny hafaliana niharo fangitangitahana, tao aminy. Ny fandrantoam- pahalalana no tena anton-diany tany Paris.

2-2-1- ny fianarana norantoviny Mbola tany Toliara izy no nonina tamin’izany. Rehefa tonga ny fotoana voatondro handehanana, dia roso niakatra taty Antananarivo izy, ary namonjy teny Ivato. « Teo am-piandrasana ny fotoana hiaingan’ny fiaramanidina hitondra ahy, dia nisy ramatoa nanatona sy niangavy tamiko, mba hosoratana amiko ny entany sasany fa navesatra loatra. Tsy sarotiny aho, fa nanaiky avy hatrany. Niara-nipetraka izahay nandritra ny dia. Rehefa tonga tany Paris izahay, dia tsy nisy nitsena aho, sady tsy dia nanam-bola rahateo koa. Noho izany, dia nentin’io ramatoa io nankany aminy tany Le Plessi-Robinson aho. Rehefa tonga tany an-trano, dia nantsoina Ramatoa Françoise Raison, olona tokony haka ahy sy hivantanako rahateo. Hay tsy lavitra, fa tao amin’io tanàna nivantanako io ihany no toeram-ponenany. Mifanakaiky eo ireo 55 trano. Rehefa nihaona izahay dia nandeha nitady ny foiben’ny O.R.S.T.O.M, mba hilaza ny fahatongavako »58.

Nambarany, fa tao anatin’ny fialan-tsasatra no nahatongavany, ka nanararaotra nijery tanàna sy namantatra tsara ny toerana izy nandritra ny telo volana. Maromaro ny fianarana nidirany sy narahany tany an-toerana, dia ny tao amin’ny:

 Centre d’art et d’archéologie  Centre de recherche Africaine  Fianarana niarahana tamin-dRamatoa Françoise Raison, tao Jussieu Nolazainy fa narahany avokoa ny fianarana azony natao rehetra. Ankoatra izay natao tany an-dakilasy mantsy, dia nazoto nitsidika tranom-bakoka sy fivarotam-boky maro izy.

Volana maromaro taorian’ny nahatongavany, dia nifindra fonenana tany Châtenay Malabry, tany amin’ny tranon’i Michelle RAKOTOSON mpanoratra fanta- daza sady mpiserasera betsaka eo amin’ny tontolon’ny kanto izy. Nety taminy kokoa ny fiainany tao, noho ny fifankazahoana tsara. Niresaka betsaka momba ny literatiora, ny mozika, sns. Ary taty aoriana aza, dia tao amin’io trano io hatrany izy no nivantana. Nambarany ihany koa, fa toerana nifaneraserany betsaka tamin’ny namany mpikaroka sy mpanakanto tao, ary fivantanan’ny Malagasy maro mihitsy. Isan’izany ry : Justin VALIHA, Nicolas VATOMANGA, Jean Luc RAHARIMANANA, sns

Ny fironana kokoa tany amin’ny fianarana sy ny asa fikarohana no tena nandaniany ny fotoana nonenany tany ivelany. Hojerena manaraka, kosa ireo toe- javatra nisongadina teo aminy.

2-2-2- Ireo toe-javatra nanamarika azy Araka ny nambarany, dia tsy dia nisy zava-baovao nanaitra azy loatra ny fahitana ny zava-nisy sy ny fiainana any ivelan’i Madagasikara. Saiky efa fantany tamin’ireo boky novakiny sy ireo sary nojereny avokoa, hono, mantsy izany.

Na izany aza anefa, dia nianatra sy nizatra ny fiainana tany ihany izy teo amin’ny andavanandrom-piainana. Anisan’izany ny fanenjehana ny ora fianarana. Ny

58 Resadresaka ny 25-11-2015, 8ora, tao an-tranon’ny mpanoratra 56 faran’ny herinandro : asabotsy sy alahady moa, dia nambarany fa nolaniany tamin’ny fitsidihana tanàna niaraka tamin’ireo namany.

Ny taona 1992 anefa dia tapa-kevitra ny hody taty Madagasikara izy, noho ny olana nisy niainan’ny firenena malagasy, izay niantraika tamin’ny ankohonany. Hoy izy : « nisy olana ara-pôlitika taty Madagasikara. Nitranga mantsy ny ady teo amin’ny antoko A.RE.MA, sy ny Herivelona. Nisy ny fanenjehana ny merina nonina tany atsimon’ny Nosy, ka rifatra nitsoaka niakatra taty Antananarivo ireo vady aman- janako, izay mbola nonina tany. Tsy nahatondra ny entanay akory izy ireo tamin’izany, fa nanainga tamin’izao fotsiny. Henoko fa namantana tany amin’ny namana teto an- drenivohitra izy ireo, ka dia tapa-kevitra ny handeha hody aho »59.

Nanomboka teto, dia niditra kokoa teo amin’ny sehatry ny asa fampianarana izy. Maro mantsy ireo sekoly no nangataka azy hampianatra. Anisan’izany ny tao amin’ny ISCAM, ny EST ; teo ihany koa ny teny amin’ny oniversiten’Antananarivo. Maro, araka izany, ireo sekoly ampianarany mandraka ankehitriny. Nambarany, kosa fa tsy mpiasam-panjakana raikitra izy. Tsy ny fampianarana tantara na frantsay sy anglisy ihany anefa no sahaniny, fa eo indrindra koa ny fampianarana hosodoko.

2-3- ny foto-kevitra mampiavaka azy Mazàna ny foto-kevitra ijoroan’ny tsirairay no anisan’ny mampiavaka azy amin’ny sarambaben’ny maro. Manavaka ny maha izy ny isam-batan’olona mihitsy izany. Raha ny momba ny mpanoratra no asian-teny, dia misy tokoa ny manavaka azy amin’ny maro.

Ny tena faka ifaharany, dia ny fifotorana amin’ny fikatsahana ny maha olombelona feno, manana ny saina afaka mandinika ny antom-pisiana. Toa tsy mahagaga, araka izany, raha nanomboka tamin’ny taona 1972 izy no tsy resy lahatra sy tsy nazoto tamin’ny fivavahana intsony, na dia mpino mafana fo aza ireo Ray aman- dReniny sy ny ankohonany. Nambarany fa tsy mety aminy ny fivavahana, satria mangeja ny maha olombelona afaka mampiasa saina, afaka mandinika ny antom- pisiany sy ny manodidina azy rehetra. Aminy, tsy mety ny fanolorana zavatra tsy

59 Resadresaka ny 25-11-2015, op cit 57 maintsy ekena fa marina sy tsy azo iadian-kevitra. Indro misy santionana asa soratra maneho izany : ny finoako ? fahafahana !!! ( VA, lah : 118, tak : 171 )

“Vizana aho mandre anao tsy mijanona mitrena tsy mitsahatra mivaza fa ianao ilay solombava ka ny hafa sombin-kena mizotra foana anaty aizina lavitry ny lalantsara tsy itoeran’ny fanahy ! fa iza ianao no mahalala izay mitrebona any anatiko ? zonao ny mila resaka safidinao no hisalovana fa tsy anao ny fanahiko tsy anjaranao ny miahy azy !!! aza heverina ho zaza bodo very ts’isy jery ireo rehetra tsy ianao izay inoako anie ry ikoto, izay ao antsaiko anie ry ikala, tsy iandrasako mpanentana ! tsy ilaiko mpampitohy ! fa ny finoana sy ny aminy zo fototra ao amiko zo ekeko ao aminao ny maha olona zahao ny maha olona no hiraisana fa lalan-tokana isan’isany ny tanjozotran’ny fanahy !” 58

Manampy izany koa ny tsy fitiavany mivondrona amin’ny fikambanana samihafa, na amin’ny sehatra inona na inona. Olombelona no iarahana miaina fa tsy fikambanana, hoy izy. Araka ny nambarany, tsy mety aminy ny fehezina rafitra, satria maneritery ny fiainana sy ny fivelarana izany. Tsy hahavitana asa, fa zary lany fotoana amin’ny fivoriana fotsiny. Matetika aza, hoy izy, dia lasa ataon’ny sasany fitadiavan- toerana sy fitadiavam-bola ny fikambanana. Ny hany fikambanana tokana nahasarika azy, dia ny V.A.I.K.A, izay mbola horesahana ao amin’ny toko manaraka ny momba azy. Izy rahateo moa, dia anisan’ireo olona nanangana io fikambanana io.

Ny tontolon’ny fanabeazana no sehatra hamolavolany tanora maro, mba ho olom-banona sy olom-bonona, afaka hiatrika ny fiainana. Ny asa fampianarana no heveriny fa sehatra azo ampitana betsaka ny fahatsapany amin’ny olona maro. Na izany aza anefa, nolazainy fa amin’ny toerana rehetra alehany, dia miezaka mampita hatrany izay fanabeazana izay izy.

59

TOKO FAHATELO : NY FIFANDRAISANY AMIN’NY TONTOLON’NY KANTO Ny mpanoratra sy ny mpamaky ary ny asa soratra, no toko telo mahamasa- nahandro amin’ny literatiora. Mifameno sy miara-miasa hatrany ireo. Ny mpanoratra mantsy no mamokatra ny sora-kanto mba hojifain’ny mpamaky. Araka izany, ankoatra izay itovian’ny mpanakanto amin’ny sarambabem-bahoaka, dia manana ny mampiavaka azy ihany koa izy ireo, noho io asa famoronana ataony io. Izany indrindra no horesahana eto amin’ity toko ity. Andininy telo no hovahavahana hanehoana ny fifandraisan’i HEMERSON amin’ny tontolon’ny zava-kanto sy ny soratra :

- hasiana teny aloha, ny nahatonga azy ho mpanoratra ; - horesahana manaraka izany, ny fivelarany eo amin’ny tontolon’ny kanto ; - ary ambara eny am-pamaranana, ny fomba ifaneraserany amin’ny mpanjifa.

3-1- ireo antony nahatonga azy ho mpanoratra Maro ireo mpandinika milaza, fa ny mpanoratra, dia olona efa voaantso hatrany am-bohoka. Izany hoe, tsy vokatry ny fahaizana no hahavitana asa soratra na tononkalo, fa efa talenta ao amin’ny mpanoratra tsotra izao fotsiny. Hoy i RANDJA ZANAMIHOATRA : « raha mbola tsy àry akory ny vatanao malia,

no efa niantso anao ny sary sy ny hira »60

Ankilany anefa, dia misy ireo mpandalina sasany no manambara, fa ny pôezia dia vokatry ny saina mandanjalanja sy ny fahaizana mandrafitra na mamolaka ny teny. Raha amin’ity mpanoratra ity dia tsapa fa mifameno ireo hevitra roa ireo.

3-1-1- talenta nolovàna Hatramin’ny fahazazan’ny mpanoratra no nambarany fa efa niezaka nandrafitra sy nandahatra teny izy. Nolazainy mantsy, fa nanomboka tamin’ny fahafolo taonany izy no efa nanoratra tononkalo. Araka ny efa natsidika tany aloha ihany koa anefa, dia hita fa maro ireo olona tao amin’ny fianakaviny no efa nanana fifandraisana mitohy tamin’ny asa fanoratana. Anisan’izany, ohatra, ny rainy, ny

60 RANDJA ZANAMIHOATRA, Vainafo tononkira, ed Ambozontany Fianarantsoa, 1966, p : 22 60 raibeny, sns. Araka izany àry, dia azo heverina fa talenta nolovany tamin’ireo Razany ihany no anisan’ny nahatonga azy ho mpanoratra.

Tsy izay ihany anefa no azo heverina fa nanefy azy, fa teo indrindra koa ny fanabeazana noraisiny.

3-1-2- ny fanabeazana noraisiny Fanabeazana maro lafy no noraisin’ny mpanoratra tamin’ny fotoam- pahazazany. Nifanerasera betsaka tamin’ny tontolon’ny vaky boky mantsy izy. Nisongadina ihany koa ny fanazaran’ny rainy azy, izay nanome vahana ny tontolon’ny soratra. Nasaina nitantara ny andavanandrom-piainana, ny tranga nisy, ary koa ny fahatsapany izy tamin’izany. Toa tsy mahagaga àry, raha nanomboka tamin’ny kilasy fahefatra (8ème) izy, dia efa nanoratra tononkalo. Nambarany fa poezia tamin’ny teny firantsay no nosoratany voalohany tamin’izany. Tsy dia lalina loatra ny hevitra nambara, fa dia niezaka nampiady rima sy nianatra nitondra teny fotsiny. Nanabeazana azy hatramin’ny fahakeliny ihany koa ny fanaovana tsianjery. Hoy izy : « hatramin’ny fahazazako, dia nozarin’ny raiko hanao tsianjery ny tononkalo novakiko aho. Tamin’izany fotoana izany, dia ny teny frantsay no tena natao. Nisy mantsy ny fiheverana nilafika tao an-tsain’ny raiko hoe : izay mahay teny frantsay no tondroina ho olona mahay. Notetezina avokoa ny mpanoratra maro. Anisan’izany ry La Fontaine, Molière, Corneille, … .Rehefa nitombotombo kely ny taonako, dia niditra tamin’ireo mpanoratra rômantika, toa an-dry Victor HUGO, LAMARTINE, sns ; ary efa taty aoriana vao nitsidika an-dry Jacques PREVERT, sns. Tsy vitan’ny mitanisa tsianjery fotsiny anefa, fa misehatra ihany koa. Anisan’ny fahafinaretan’ny raiko mihitsy mantsy ny mampidera ny zanany eny imasom-bahoaka. Hany ka isaky ny misy fety, na teo amin’ny fianakaviana, na tany am-piangonana, dia nampirisihany hanao tononkalo hatrany izahay »61

Nambarany fa tsy dia havanana loatra tamin’ny fanoratana tononkalo tamin’ny teny malagasy izy tany am-boalohany. Ny teny frantsay mihitsy, hono, no isainany eo am-panoratana. Rehefa nitombo taona kosa, ka niditra teo amin’ny dingana ambonimbony tamin’ny fianarana, dia nisokatra tsikelikely tamin’ny literatiora malagasy izy. Teo dia nanomboka namaky ny boky takelaka notsongaina izay

61 Resadresaka ny 30-11-2015, 8ora, tao an-tranon’ny mpanoratra 61 nangonin-dRAJAONA izy. Ny mpanoratra malagasy nolazainy fa nahaliana azy voalohany indrindra, dia i Flavien RANAIVO, izay manoratra amin’ny teny roa, dia ny teny malagasy sy ny teny frantsay.

Nambarany fa tato aoriana dia nanomboka ho liana tsikelikely tamin’ny mpanoratra malagasy izy. Anisan’izany ry : Jean Joseph RABEARIVELO, Jasmina RATSIMISETA, RAJAONAH TSELATRA, Ny Avana RAMANANTOANINA, izay zoky nitarika azy teny amin’ny Anjerimanontolo, ary niara- niasa taminy kokoa teo amin’ny sehatry ny asa fikarohana. Teo koa i RADO izay nambarany, fa nandasitra azy kokoa, teo amin’ny tontolon’ny asa soratra. Mahaliana azy kokoa ny lohahevitra resahan-dRADO ao amin’ny tononkalony. Hoy izy : « anisan’ny tononkalon’ny mpanoratra malagasy nilafihako ny asa soratry RADO. Tiako ny lohahevitra resahany satria mikitika ahy. Miresaka betsaka ny olombelona mitady sy miezaka eo amin’ny fiainana mantsy izy ao amin’ny asa sorany »62. Misy hitoviany rahateo ireo mpanoratra ireo, satria sady mpanoratra RADO no mpanosodoko. Raha ny nambaran’i HEMERSON anefa, dia ny hosodoko no nanintona ny fanahiny nialoha ny asa soratra. Izany hoe : mpanosodoko izy vao mpanoratra.

Ankoatra ny fifaneraserany betsaka tamin’ny tontolon’ny poezia, dia nilona tao amin’ny hainteny ihany koa izy. Nambarany fa ny fampiasana ohabolana sy hainteny ao anaty asa soratra no tena mampatanjaka ny teny. Hoy izy « anisan’ny mpanoratra frantsay nanintona ahy teo amin’ny fomba fanehoan-kevitra i Jacques PREVERT. Ny mampiavaka azy, dia ny fanoratana tsy voafehin’ny rafitra sy ny fefy. Ny tanjaky ny teny eo amin’ny figodona sy ny sary voizina no tena trandrahana. Hita betsaka eo amin’ny hainteny sy ny ohabolana malagasy io toetra io. Izany hoe, araka ny fiheverako, dia efa milasitra ao an-tsain’ny Malagasy mihitsy izany »63

Nanomboka notrandrahany io toetran’ny teny malagasy io rehefa nandray fitenenana an-kavoriana izy. Tamin’izany ihany koa no nahatsapany ny maha zanak’antitra ny tenany, ka ankoatra ny fandalinany ny hainteny nangonin’i Jean PAULHAN, dia toa efa nirafitra tao an-tsainy ihany izy ireny, saingy tsy nampiasainy

62 Resadresaka ny 30-11-2015, op cit 63 Resadresaka ny 30-11-2015, op cit 62 fotsiny. Nanomboka teto dia nolazainy, fa tsy nety taminy intsony ny fampiasana rima, ary dia nofafany tao an-dohany mihitsy, hono, izany.

Ankehitriny dia mbola milona betsaka amin’ny famakiana boky sy ny fifaneraserana amin’ny karazana olona maro izy, entiny manatevina ny traikefany eo amin’ny sehatry ny kanto. Anisan’izany ireto olona tanisaina manaraka ireto : DI na Henri RAHAINGOSON, Michel RAKOTOSON, OLOMBELO RICKY, ny mpikambana ao amin’ny HAVATSA-UPEM, ary ireo mpianjoria ao amin’ny faribolana SANDRATRA, sns. Nambarany ihany koa, fa tia mifanakalo hevitra amin’ireo zoky efa manana traikefa bebe kokoa izy.

Nasongadina ny fiezahan’ny mpanoratra nanatevina ny talenta efa tao anatiny tamin’ny fanaovana sora-kanto. Izany hoe : niampy filofosana sy fandalinana momba ny teny ny fanabeazan’ny rainy azy. Ankoatra ireo voalaza ireo, dia mbola nisy ihany koa ny antony avy amin’ny tenany nanosika azy ho tonga mpanoratra. Hasiana teny ny momba izany.

3-1-3- fahatsapana sy filàna avy ao anaty Na dia mbola tsy nahafolaka tsara ny teny aza izy, dia efa nanao ho fialam-boly ny fandrafetana tononkalo. Nambarany fa tsy mitombina ny eritreriny raha tsy voavadiny ho sary, na voarindrany ho mozika, na ihany koa voadika hirindra amin’ny alalan’ny tononkalo ny zavatra rehetra iainany na isainany. Hoy izy : « eo am-pandrafetana tononkalo aho, dia tsy miraharaha loatra izay endriny fa dia manoratra ny fahatsapako sy ny zavatra rehetra mandalo ao an-dohako fotsiny. Rehefa voasoratro izy, amin’iny fotoana iny, dia mety hasiako fanovana ihany any aoriana. Esoriko ireo voambolana sarotra loatra. Mamorona voambolana vaovao ihany koa aho, rehefa tsy misy teny mahalaza ny ao an-tsaiko. Tsy mba misy haiko tsianjery ny asa soratro. Tsapako ihany koa, fa misy tontolo midadasika be mihoatra izao tontolo izao ao an- dohako ao rehefa manoratra aho, ary hitako fa mifanena amin’ny tsy ampoizina hatrany aho amin’izany. Tsy mba manoratra ankoatra ny zavatra tsapako sy iainako na isainako aho. Izany hoe, raha tsorina dia tsy miasa saina loatra amin’izay olona mety hamaky ny asa soratro aho, fa mizara ny fahatsapako fotsiny. Filàn’ny saina 63 amana eritreritro fotsiny ny fandrafetana tononkalo. Noho izany, tsy dia azo antsoina ho isan’ireo mpanoratra mpampita hafatra aho »64

Araka izany dia hita fa marobe ireo tontolo nanefy azy ho tonga mpanoratra tononkalo. Misy ny vokatry ny fiantraikan’ny tontolo ivelan’ny tenany, aminy. Toa mampahatsiahy ny fisainan-dRABEARIVELO izany toe-javatra izany. Aminy mantsy, ny mpanoratra dia ilay mampanàko any anaty ny mozika reny ety ivelany.

Manao ahoana kosa àry ny fivelarany eo amin’izay tontolon’ny kanto izay ?

3-2- ny fivelarany eo amin’ny tontolon’ny kanto Toe-javatra maromaro no azo ambara fa miara-miasa amin’ny mpanoratra eo amin’ny fiainany ny zava-kanto. Ankoatra ny maha mpanoratra azy mantsy, dia mpanosodoko sy mpiangaly ny sary sokitra ary ny anjam-peo arindra na ny mozika, ihany koa izy. Izany hoe, lafin-javatra maro no azo trandrahina, amin’ny fiainany ny tontolon’ny kanto. Ny asa soratra kosa no tena hifotorana eto. Mazàna dia misy akony eo amin’ny tara-kevitra resahan’ny mpanoratra ao amin’ny asa sorany ny fiainany. Ndeha àry hojerena ny fifandrohizan’ireo lafin-javatra roa ireo amin’ny mpanoratra. Hasiana teny araka izany ireo lohahevitra mikitika azy ao amin’ny tononkalony, mialoha ny hijerena manokana ny momba ny fikambanana V.A.I.K.A. Horesahina ihany koa ny momba ireo boky na famakafakana lohahevitra na famelabelaran-kevitra efa notontosain’ny mpanoratra.

3-2-1- ireo tara-kevitra resahany ao amin’ny tononkalony Araka ny efa nambara tao amin’ny boky voalohany izay misy ny vondrona ambara, dia lohahevitra telo lehibe no azo asongadina ho ambetin-dresaky ny mpanoratra. Efa nanasokajiana ny vondrona ambara rahateo izany. Eo aloha, ny firesahany betsaka momba ny tontolom-pitiavana na ny “aza kafaraina” ; ankoatra izany, dia ambetin-teniny ihany koa ny manodidina ny rafi-piarahamonina sy rafi- pitondrana na ny “fitatao vody hifehezam-bahoaka” ; ny tena misongadina dia ny firesahana momba ny olombelona. ‘Ndeha haseho amin’ny alalan’ny fafana ny taham- pierenan’ireo lohahevitra ireo ao amin’ny asa soratra narafitra ho vainga enti-miasa izay miisa 158, ao amin’ny boky voalohany.

64 Resadresaka ny 30 novambra 2015 64

Tara-kevitra resahana Isan’ny tononkalo Isan-jatony « Aza kafaraina », V.A tak : 08-69 49 31,01 %

“Ny fitatao vody hifehezam-bahoaka”, 43 27,85 % V.A tak : 71-132

Ny firesahana momba ny olombelona, V.A tak : 66 41,14 % 134-213

Fafana fahefatra : maneho ireo tara-kevitra resahan’ny mpanoratra Natao ity fanasokajiana ity mba hanamora ny fikirakirana ireo akora teo am- pelatanana, saingy anterina fa tsy tena raikitra tanteraka izy ireo. Ny tsapa mantsy dia mihodinkodina amin’ny tontolon-kevitra lehibe iray ny asa soratra rehetra, dia ny firesahana ny tontolon’ny fanefena ny maha olona feno izany. Noho izany, dia nisetra olana izahay tamin’ny fanasokajiana ireo asa soratra ireo. Mbola hidirana tsirairay ao amin’ny fizarana manaraka ny mahakasika azy ireo. Ndeha hasian-teny aloha ny momba ny V.A.I.K.A, izay hany fikambanana misy ny mpanoratra.

3-2-2- ny fikambanana V.A.I.K.A na Vondrona Andrafetana sy Ivoizana ny Kolontsain’ny Ampitso.

Misy maromaro ny karazana fikambanana mpanakanto eto Madagasikara. Iray amin’ireny ny V.A.I.K.A. Ity farany izay nijoro ara-panjakana tamin’ny taona 2000, raha toa kosa, ka efa tany amin’ny taona 1997 ireo mpanorina azy no niara-niasa teo amin’ny tontolon’ny kanto. Ndeha àry horesahana ny fifandraisan’ny mpanoratra amin’ity fikambanana ity. Lafin-javatra telo no havoitra amin’izany : hojerena ny fiforonany, hasiana teny ny foto-kevitra ijoroana, hotsidihina ihany koa ireo hetsika niarahan’ny mpanoratra tamin’ny fikambanana. 65

3-2-2-1- ny fiforonany Azo ambara ho tao anatin’ny tsy nampoizina ihany no nananganana ity fikambanana ity. Rehefa tafaverina teto an-tanindrazana ny mpanoratra tamin’ny taona 1993, dia niditra tanteraka teo amin’ny asa fampianarana. Nolazainy fa tsy dia nanana fotoana manokana natokana ho an’ny asa famoronana izy nanomboka teo. Na izany aza anefa, dia nanana fahazarana ny nandrakitra tao anaty kahie lehibe, izay zavatra rehetra nandalo tao an-tsainy hatrany izy, indrindra mandritra ny fotoam-pialan- tsasatry ny mpianatra. Manao hetsika fampirantiana hatrany koa izy isan-taona. Amin’ireny hetsika ataony ireny anefa, dia mazàna tsy mandeha irery izy fa miaraka amin’ny olona maromaro. Anisan’izany ireto olona ireto : RAZAFINDRAKOTO Richard : mpanakanto sy mpanao gazety ; Dr RATREMA ANDRIAMANETSIARIVO : mpanakanto sy mpitsabo olona manana fahasembanana ara-tsaina ; RAKOTOLAHY Patrick : mpanakanto ; RAFALINDRANTO Ramy : mpanakanto sy mpanao gazety ; RANDRIANJAFIFARALALAO na RFARAL (vadiny) : mpanakanto sy mpampianatra ; ANDRIANETRAZAFY Hemerson : mpanakanto sy mpampianatra.

Nambarany fa saiky izy enina mianadahy ireo hatrany, no miara-misalahy amin’ny hetsika rehetra natao. Ny tsapa, dia karazan’olona samihafa tanteraka izy ireo, saingy nambaran’ny mpanoratra kosa fa nitovy ahiahy sy fahatsapana manoloana ny fahasimban’ny kolontsaina malagasy. Nisy nitoviany mihitsy aza, hono, ny fomba fanehoan-kevitr’izy ireo tao amin’ny asa soratra. Ankoatra izany, hita koa fa ny lalan- tsain’ireo olona ireo mihitsy no misy hifanahafana. Samy tsy dia mba liana amin’ny fidirana ho mpikambana amin’ny karazan-javatra samihafa mantsy izy ireo. Samy mametraka ho zava-dehibe ny fikatsahana ny “maha singa”, hany ka tsy ao anatin’ny fikambanana no hitadiavana laza ho an’ny tena na koa hamenoana ny aingam-panahy mamatsy ny tena amin’ny fanoratana sy ny tontolon’ny kanto, fa olombelona efa feno sy manana ny maha izy azy no mivondrona ao anatine sehatra iray. Nanoloana izany fifandraisana izany, dia tapa-kevitra ny hanatanteraka hetsika lehibe iray izy ireo, izay nitondra ny lohahevitra hoe « Razana sy vina ». Hoy ny fitantarany : « indray andro izay, avy nitsidika ny Rovan’Ilafy RAKOTOLAHY Patrick. Nanana vinavina ny hanangana « galerie » izy tamin’izany fotoana izany, ka nitady mpanakanto hiaraha- miasa. Araka izany dia nandalo tao amin’dRAZAFINDRAKOTO Richard izy, izay 66 nonina teny Ankadikely. Ity farany dia namaky ny boky nosoratako izay miresaka momba ny tantaran’ny hosodoko teto Madagasikara. Rehefa tafaresaka tao izy mirahalahy ireo, dia nampanantsoin’i Richard aho. Ny zanany lahy, izay mpianatro teny Ankatso, no naka ahy tany an-trano sy nitondra ahy teny Ankadifotsy, tamin’io fotoana io. Rehefa tonga teny izahay, dia efa vory niaraka tamin’izy ireo koa i Tantely (mpanakanto), sy i Ramy. Raikitra ny ady hevitra nandritra ny andro sy alina iray manontolo, ary nony farany, dia tapa-kevitra izahay fa hanao hetsika lehibe mitondra ny lohateny hoe : « RAZANA SY VINA » na « ANCËTRES ET VISION », ny taona 1999. Io hetsika io dia nifangaroan’ny hira, ny dihy, ny hosodoko, sns. »65.

Nentina nitety ny ranomasim-be indianina io hetsika ara-java-kanto io. Mba hahazoana ny famatsiam-bola hoenti-manana ny amin’izany anefa, dia tapa-kevitra izy ireo fa hivadika ho fikambanana, ny taona 2000. Teraka teo ny V.A.I.K.A. Nentina tany La Réunion izy io ny 1999, ary novatsian’ny « Region Réunion » sy ny FRAC, vola. Nisehatra betsaka sy nandray anjara feno tamin’izany ny tenany amin’ny maha mpahay tantara ara-java-kanto azy. Nambarany fa ny taona 2000 no nentina teto Madagasikara izy io. Nisy anefa ny olana satria tsy antonona tao amin’ny Tahala Rarihasina ny fampirantiana, ka dia nozaraina roa. Nasiana ihany koa teny amin’ny kianjan-dRabenijoro eny Sabotsy Namehana. Tsy nijanona teto Antananarivo ihany anefa, fa nampirantiana tany Toamasina ihany koa, ary notanterahina teo anoloan’ny gara, tamin’io taona io ihany. Nambarany fa izy no mpandrindra an-tsehatra nandritra izany rehetra izany.

Rehefa tafajoro àry ny V.A.I.K.A, ny taona 2000, dia io no rafitra nenti- nihetsika ary i HEMERSON ANDRIANETRAZAFY no sekretera jeneraly ao. Nambarany ihany koa, fa ny taona 2005 izy vao nandeha irery teo amin’ny tontolon’ny fampirantiana.

Ny indro kely anefa dia ny fahabangan’ireo olona nanorina ny fikambanana ireo ankehitriny. Misy ny efa nodimandry, hany ka miisa telo, hono, sisa izy ireo no tena misehatra amin’izao fotoana izao. Na izany aza anefa, dia nambarany fa tsy kivy

65 Resadresaka ny 25-11-2015, op cit 67 velively izy, fa miezaka manefy tanora vaovao hatrany hanome aina ny fikambanana66. Inona kosa àry ny foto-kevitra ijoroan’ity fikambanana ity ?

3-2-2-2- ny foto-kevitra ijoroany Araka izay efa hita teo aloha, dia tsapa fa fifangaroana talenta maro no mandrafitra ny fikambanana V.A.I.K.A. Tsy mionona fotsiny eo amin’ny tontolon’ny haisoratra mantsy izy, fa mivelatra amin’ny lafin-javatra maro. Anisan’izany ny hira, dihy, mozika, sns. Tsy azo lavina àry, fa ivondronan’ny karazana olona maro ny fikambanana, dia ireo rehetra izay manana vinavina ny hanangana kolontsaina vaovao arindra, sy ireo rehetra manana fahatsapana mitovy manoloana ny kolontsaina malagasy.

Raha ny nambaran’ny mpanoratra hatrany, dia mihodina indrindra amin’ny fifehezana ny teny malagasy, ny fanohanana ny famokarana asa soratra, ary koa ny fizarana izany amin’ny hafa, no tena ataon’ny V.A.I.K.A. Ny mpanoratra rahateo moa, dia mpikambana ao amin’ny Akademia Malagasy, sokajy voalohany : haiteny sy hai- laza.

Hasiana teny manaraka ny amin’ireo hetsika efa niarahan’ny mpanoratra tamin’ny fikambanana sy ny fivoarany.

3-2-2-3- ireo hetsika niarahan’ny mpanoratra taminy Maro ireo hetsika ara-java-kanto efa nokarakarain’ny V.A.I.K.A, niarahana tamin’i Hemerson ANDRIANETRAZAFY. Hotanisaina misesy izy ireo :

- Razana sy Vina, Ancêtre et Visions, Antananarivo, 2000.

- FOY (éclosion), Interlogue d'art et d'Argument, Rectorat de l'Université d'Antananarivo, Décembre 2001.

- Saha nofy Sahy lanitra, Imaginaire sans Passeport, Premier Salon International d'Art Contemporain, Espace Rarihasina, Antananarivo, Novembre-Décembre 2001.

- Takalo Kanto, festivité organisée par la Confédération des Professionnels des Arts, Espace Rarihasina, Décembre 2002.

66 Misy eo ho eo amin’ny 20 isa ireo tanora ireo amin’izao fotoana izao 68

- "Liberté des arts face aux journalistes", Exposition d'arts plastiques suivie d'un atelier débat, CITE Ambatonakanga, Décembre 2002. Organisée par la Confédération des Professionnels des Arts et l'Association libre des Journalistes de (AJLM).

- "Padar à Tana", Centre Culturel Albert Camus, Mai - 2003

- "Dia… Dihy Karazana", Exposition et spectacle de danse, de musique et de peinture dans le cadre de la biennale de danse SANGA III, du 10 au 15 novembre 03, Espace Rarihasina.

- TOHY, CONTINUITE, CONTINUITY, Exposition d’art contemporain au Musée d’Art et d’Archéologie, Institut de Civilisations Isoraka, Antananarivo. Août 2005.

- Pi-Maso-Mpimaso, Clin d’œil, Exposition personnelle à l’espace Rarihasina du 15 au 30 septembre 2005.

- Femmes et Formes, Exposition dans le cadre du « Printemps des Poètes », Alliance Française de Tananarive, Andavamamba, du 6 au 11 mars 2006.

- Carte blanche, Exposition à l’Alliance Française de Tananarive, Andavamamba du 9 au 14 mai 2006

- « Paint a Future », Gare de Soarano, Antananarivo, Août 2006.

- MAHASINGA, SINGULARITE, SINGULARITY, Exposition d’art contemporain au Musée d’Art et d’Archéologie, Institut de Civilisations Isoraka, Antananarivo. Septembre 2006.

- DIAPRURE/BEMILOKO, Exposition en Duo avec Rfaral, Restaurant Tsara Ketrika, Isoraka, Antananarivo, Novembre 2006.

- « Hommage à Richard RAZAFINDRAKOTO », Alliance Française de Tananarive, Andavamamba, du 13 au 18 novembre 2006.

- Asaramanitra 2007, espace Rarihasina

- Tsiahy 1947, espace Rarihasina mars 2007. 69

- Vitrine de Madagascar, Strasbourg, France 2007.

- Zara kanto, AFT, septembre 2007 avec l’Association VAIKA.

- MIRAY FO MIHARY KANTO, Exposition initiée par RFaral, Tahala Rarihasina, Janvier 2008

- Insurrection 47, Exposition itinérante, Elne, Avignon, Clermont-Ferrand, France

- Auto-dissection, Samantsamam-panahy, Exposition personnelle à l’Alliance Française d’Andavamamba, Avril 2008.

- Asaramanitra 2008, espace Rarihasina

- Insurrection 47, Exposition itinérante, Dijon, France

- Asaramanitra 2009, espace Rarihasina

- Tsinjo Dia…, Interlogue littéraire et artistique, espace Rarihasina, 2009

- Habaka Ankisôma 2009, espace Rarihasina

- Fankalazana ny Fahaleovantena, SMART, Tanjombato, ANTANANARIVO, Juin 2009

- Farimbona, manifestation artistique, Akademia Malagasy, Tsimbazaza

- Evasion 33, Sinda 33, en duo avec RFaral, Immeuble Rahaingoson, Antaninarenina 2009.

- Tsinjo Dia II, Interlogue littéraire et artistique, espace Rarihasina, CGM, 2010

- Interlogue II, Exposition littéraire et artistique, Université d’Antananarivo, FLSH, Août 2010

- Baraingo 50, Cinquante questions, Exposition personnelle au CGM, septembre 2010

- Kanto velona, Kanto fahavelomana, Gare de Soarano, Août 2011.

- Exuvie/Fiofo, Exposition en duo avec Rfaral au Tahala Rarihasina, Octobre 2011 70

- Chromophagie en sol majeur, Exposition en duo avec Rfaral à l’Is’Art Galerie, Immeuble SICAM, Analakely, 8-27 mars 2012.

- Tsinjo dia III, Interlogue artistique, Espace Rarihasina, Académie Malagasy, 2015 67

Mbola marobe ny hetsika nataon’ity mpanoratra ity teo anelanelan’ny taona 2011-2015, raha tsy hilaza afa-tsy ny “triatra” sy ny maro hafa tsy voatanisa. Santionany ihany ireo naseho ireo.

Hita teo aloha ny mahakasika ny fikambanana V.A.I.K.A sy ny fifandraisan’ny mpanoratra aminy. Ndeha hasiana teny manaraka kosa ny mahakasika ireo boky samihafa sy ireo famelabelaran-kevitra efa notontosain’ANDRIANETRAZAFY Hemerson.

3-2-3- ireo boky sy famelabelaran-kevitra samihafa efa nataon’ny mpanoratra Marobe ireo boky famakafakana mikasika ny kolon-tsaina sy ny hai-kanto notontosain’ny mpanoratra. Ndeha hotanisaina izy ireo :

3-2-3-1- ireo boky nataony na lohahevitra nofakafakainy Ireto avokoa ireo lohahevitra efa nofakafakain’ny mpanoratra miaraka amin’ny boky efa navoakany :

1985 - L'Enseignement dans la région d'Ambositra à la fin du XIXème siècle", Acte du colloque d'Histoire malgache, Fianarantsoa, 1985. (En collaboration avec Randrianantoandro S. Théophile).

"Razanatefy J.-M., itinéraire d'un artiste peintre malgache", UER d'Histoire, Centre d'Art et d'Archéologie, Tananarive.

"Les paysans du Moronkay face à l'insurrection de 1947", UER d'Histoire.

1989 - "Anosimanjaka et le culte de Ranavalotsimitoviaminandriana", Omaly sy Anio 29-32, 1989-1990. pp. 131-144. (En collaboration avec S.

67 Loharano : www.mact.gov.mg/hemerson-andrianetrazafy 71

Ravoniharoson, J. Robinson, J.P. Razafindrakoto, T. Solondraibe et L. Wink-Kong) - Acte du Colloque d'Histoire malgache, Tananarive 1989.

1991 - La peinture Malgache : des origines à 1940, ed. Foi et Justice, Tananarive, 130 p. (Publication allégée du mémoire de maîtrise soutenu en 1989).

1992 - Pour une Approche historique de l'art funéraire antandroy. Problèmes et perspectives, mémoire de DEA, Université d'Antananarivo, UER d'Histoire, 123 p.

1996 - L'Institut National des Sciences et Techniques Nucléaire (I.N.S.T.N.) : 20 ans d'activités et de recherches à Madagascar (1976 - 1996), XXème anniversaire de l'INSTN, Ankatso.

1999 - Des images et des échos à propos de Hosotra 99. Lettre Mensuelle de JURECO, N° de Juin 1999.

2000 - Razafindrakoto Richard : une dimension malgache dans l'art contemporain. Lettre Mensuelle de JURECO, N° 159, mars 2000.

2001 - "De quelques aspects du culte traditionnel sur le site d'Andrarakasina" in Ancestralité et Identité à Madagascar, Etudes Océan Indien N°30, INALCO, Paris, pp-30-64.

- Considérations sur l'évolution du système de représentation à Madagascar, dans "Madagascar : Fenêtres" Edition du CITE, Juillet 2002.

- Razafindrakoto Richard, le parcours de l'artiste, JEAG, Avril 2001.

2002 - Notes sur la collection de Sampy retrouvés aux Archives Nationales de Tasaralàna en 2002. (ARM. 2002)

"Les arts plastiques à Madagascar : de la survie à la révolte" in Madagascar émergence : les cultures malgaches après l'affrontement politique, Africultures n° 55, L'Harmattan, avril-Juin 2003, pp. 86-95.

2003 - Système de représentation et traditions plastiques malgaches, Conférence à l'Académie Malgache, Tsimbazaza, 6 novembre 2003. (in Bulletin de l’Académie Malgache, Tome LXXXII/1-2, Antananarivo, 2003. pp 383-394) 72

- Etat des lieux de l'art contemporain à Madagascar, Conférence à l'Académie Malgache, Tsimbazaza, 4 décembre 2003. (in Bulletin de l’Académie Malgache, Tome LXXXII/1-2, Antananarivo, 2003. pp 405-414).

- "Peinture et société malgache dans le contexte colonial : les jeux de la synergie et de l'exclusion", in Nouvelles du Centre d'Art et d'Archéologie, Département de Civilisations, n°9, 2003, pp. 45-48.

2006 - « Conflits et tensions. Les mutations de l’environnement socio- religieux à Antananarivo » in Les dieux au service du peuple, itinéraires religieux, médiations, syncrétisme à Madagascar, Sophie Blanchy, J-A. Rakotoarisoa, Philippe Beaujard, Chantal Radimilahy (dir.), Ed Karthala, 2006, pp .317- 340.

2007 – Voyage au pays des Fomba : du vivant à l’ancestralité, Photographies de Philippe Gaubert, texte de Hemerson Andrianetrazafy, Edition Somep, Tananarive, 2007

2008 – « De l’évolution de l’art pictural malgache », in La peinture malgache, dialogue du réel et de l’imaginaire, APAME (Association pour la promotion des arts naïfs, populaires et sacrés du monde), Strasbourg.

2009 – Rakotonandrasana Jean Emilien sy ireo hafatra entiny, (présentation du musicien Jean Emilien), Académie malgache, mars 2009.

2011 – « Notes sur la sexualité dans le Menabe : l'exemple du village de Mangily» in Amour et sexualité du côté de l’océan Indien occidental (Comores, Madagascar et île Maurice), Etude Océan Indien n° 45, mars 2011, pp. 13-50.

2012 – « Préparation psychologique pour l’encadrement des migrants et des Vulnérables sans abris », MEG – ONU HABITAT/PNUD. 350 p. Avril.

2015 – « Identité et Africanité : l’exaption malagasy ? », F. Ebert Stitfung/c, YLTP

Ireto kosa ny famelabelaran-kevitra efa nataon’ny mpanoratra : 73

3-2-3-2- ireo famelabelaran-kevitra efa nataony Ankoatra ny lohahevitra nohadihadiany, sy ireo boky navoakany, dia nanao famelabelaran-kevitra maro ihany koa izy. Ireto avy izany :

1993 - La peinture malgache durant la période coloniale, Conférence à l'Académie Malgache, Tsimbazaza. Juin 1993.

1997 - Peinture et société malgache dans le contexte colonial : les jeux de la synergie et de l'exclusion. Conférence à la Bibliothèque nationale lors des IIIème jeux de la francophonie, sur le thème Art et Société.

1998 - Société et représentation sociale dans la peinture malgache à l'université de Paris IV - Dénis Didérot, Jussieu, U.F.R. Géographie, Histoire, Science de la société. Séminaire de Mme Françoise Raison Jourde.

1999 - Panorama de la peinture malgache, conférence à la mairie de Saint Pierre, La Réunion, Razana sy Vina, décembre 1999.

2000 - Art et ancestralité à Madagascar, Conférence dans le cadre de l'exposition itinérante Razana sy Vina à l'Académie Malgache, Antananarivo, Juin 2000

- "FOY, (Eclosion) : de la créativité contemporaine à Madagascar", Université d'Antananarivo, FLSH, Amphi 24, décembre 2000.

2001 - Considérations sur l'évolution du système de représentation à Madagascar, Conférence au CCAC, le 16 mai 2001.

2001 - "Madagascar : Art, Société et Contemporanéité", Conférence au CCAC le 13 février 2002.

2003 - Système de représentation et traditions plastiques malgaches, Conférence à l'Académie Malgache, Tsimbazaza, 6 novembre 2003.

2005 - « ELABAKANA, GLISSEMENT PERPÉTUEL, ATELIERS DE RECHERCHE INTERDISCIPLINAIRE, Antananarivo décembre 2005 74

- L’Univers des sens et l’univers des formes dans l’Art contemporain à Madagascar (7 décembre 2005) au Musée d’Art et d’Archéologie, Institut de Civilisations, Université d’Antananarivo, Isoraka.

- La perception de la contemporanéité dans l’Art malgache (8 décembre 2005) à l’Académie Malgache, Tsimbazaza.

- « Emergence et enjeux de l’art contemporain à Madagascar » (12 décembre 2005) à la Gare de Soarano.

2006 - « RAZAFINDRAKOTO Richard (1959-2006) ; la dimension de la contemporanéité dans l’art malgache », communication dans le cadre de la section I de l’Académie malgache du 9 novembre 2006.

2007 – Intervention dans le cadre de la formation en Leadership (Youth Leadership Training Program) initiée par Friedrich Ebert Stifung, à Mahibahoaka Ivato sur le thème : Ny maha izy azy, ny maha izay azy, ary ny maha gasy (Questions sur l’identité culturelle).

2007 - Intervention dans le cadre de la formation initiée par Friedrich Ebert Stiftung, «Cadre paysans : élection et Leadership », du 26 au 28 septembre 2007 sur le thème : Identité culturelle, identité paysanne, Stéréotypes sur les paysans

2007 – L’Industrie culturelle à Madagascar, problèmes et perspectives, Rencontre Internationale Nord-Sud, Colloque sur la musique de Madagascar au Goethe Institute, oct.2007.

2008 – Système calendaire et perception du temps dans la culture malgache, Musée d’art et d’Archéologie, Institut des Civilisations, Isoraka, Antananarivo, Avril 2008.

2008 – Sensibilisation des jeunes sur l’importance du patrimoine Culturel Immatériel, Tahala Rarihasina, Habaka Ankisaoma, Août

2010 – De l’esthétique du corps à la construction identitaire : la coiffure à Madagascar, Atelier scientifique du Projet KOIF, Musée d’Art et d’Archéologie, Isoraka, 1-2-3 août 2010. 75

2010 – Art et système de représentation plastique malgache, Ecole des Beaux Art, Le Port, La Réunion, novembre 2010.

2012 – Le concept du Fihavanana, du mythe à la réalité, communication destinée à une association des jeunes du quartier à la Mairie d’Andoharanofotsy.

2012 – Les orientations et les questionnements de l’art contemporain à Madagascar, Is’art Galerie, immeuble SICAM, Analakely. 9 février 2012.

2013 – Etude sur la préparation psychologique et le renforcement de l’encadrement pour l’insertion sociale des Vulnérables/Sans abris et des migrants. L’insertion sociale par la valorisation de la classe populaire créative, Madagascar Ever Green – PNUD - ONU HABITAT, 350 p.

Tsapa araka ireo notanisaina ireo, fa nifanerasera betsaka tamin’ny soratra sy teny ny mpanoratra. Tsy mahagaga raha havanana amin’ny fandaharan-kevitra izy. Raha itodihana ny maha mpanoratra azy, dia samy manana ny fomba ifandraisany amin’ny mpankafy na ny mpamaky sy mpanjifa, ny mpanoratra tsirairay avy. Izany indrindra no horesahana ato amin’ny andininy manaraka.

3-3- ny fifandraisany amin’ny mpanjifa Araka ny efa nambara, dia manoratra amin’ny fiteny roa ity mpanoratra ity. Eo aloha, ny tenim-pirenena malagasy, ary eo ihany koa ny teny frantsay. Araka izany dia misy ny karazana olona kendreny amin’ny asa sorany. Tsy voafetra ho an’ny Malagasy irery mantsy izany, fa mivelatra amin’ny olona miteny frantsay ihany koa. Lafin- javatra roa no horesahana momba ny paika entin’ny mpanoratra mifandray amin’ny mpanjifa : andaniny, amin’ny alalan’ny fampirantiana, ankilany amin’ny alalan’ny tambazotran-tserasera « facebook ».

3-3-1- ny fampirantiana asa soratra arahina hosodoko Matetika dia ny boky no toerana fihaonan’ny mpanoratra sy ny mpamaky. Izy io anefa dia nambaran’ny mpanoratra, fa misy olana tokoa. Nanteriny mantsy fa mbola sarotra ny fanontana boky eto Madagasikara. Lafo loatra ny sarany, kanefa mazàna, hoy izy, dia tsy misy mividy sy tsy misy mamaky izy ireny. Mbola tsy tafiditra ao amin’ny filàna eo amin’ny andavanandrom-piainan’ny Malagasy, ny boky. Araka izany, dia ny fampirantiana asa soratra, arahina sary hosodoko no paika entiny 76 mifandray amin’ny mpanjifa. Manomana fampirantiana isan-taona izy amin’izany. Nolazainy fa mahasarika ny olona kokoa io. Aminy ihany koa mantsy dia mifandray betsaka ny hosodoko sy ny soratra. Hoy izy : «ny soratra sy ny hosodoko dia tontolo roa mifameno, mifampiankina, ary mifandrohy. Ao anaty rafitra amin’ny fomba firesaky ny Malagasy rahateo, ny fandokoana ny tontolo manodidina, amin’ny alalan’ny teny »68. Io fiheverany io dia toa mifameno amin’izay voalazan’i DESCHAMPS hoe : « hay kanto ambony sady feno hosodoko ary mozika misaina ny poezia »69.

Atao amin’ny fafàna lehibe maro samihafa ireo tononkalo voafidy ho aranty : taratasy, lamba, ary apetaka amin’ny rindrina toy ny hosodoko. Misy fafàna mankadiry (1,80 * 3m ) indraindray ka mahasintona ny mason’ny maro. Tsy vitsy ihany koa ireo tanora no mandray penina sy mandika ireo tononkalo ireo, na miady hevitra amin’ny mpanoratra mandritra ny fampirantiana. Miara-dalana amin’izany hatrany ny fiantsana tononkalo sy ny fanaovana mozika eny an-tsehatra. Anisan’ny fitaovana lehibe ifaneraseran’i HEMERSON amin’ny mpamaky koa ny tambazotran-tserasera «facebook ».

3-3-2- ny tambazotran-tserasera « facebook » Ankehitriny dia marobe ireo mpanoratra mampiely ny voka-kantony any amin’ny tambazotran-tserasera samihafa. Anisan’izany koa ity mpanoratra ity. Nambarany fa nanomboka tany amin’ny taona 2007 tany ho any izy no tena nampiasa azy io. Aminy dia tsy fitaovan-tserasera fotsiny ny « facebook », fa tena habaka iray lehibe ahafahana manapariaka sy mampiaina ny tontolon’ny soratra mihitsy. Nambarany ihany koa fa toeram-pifandranitan’ny samy mpanoratra ao. Aminy dia mampisongadina ny talenta maro ity fitaovan-tserasera tsy voafehin’ny sisin-tany ity. Araka izany, dia ao no tena iseraserany amin’ny mpamaky azy sy ny mpanjifa maro.

Araka ny hita tokoa mantsy, dia marobe ireo asa sorany no miparitaka any amin’ny « facebook ». Nambarany fa mety ho teraka eo no ho eo izy ireny, ka avy hatrany dia zarainy, ary aty aoriana vao asiany fanamboarana kely. Nolazainy ihany

68 Resadresaka ny 25-11-2015, op cit 69 DESCHAMPS, in Grande Larousse, Paris, 1963, p : 586 « la poésie, art suprê et complet, peinture qui meut et musique qui pense ». 77 koa, fa matetika, rehefa miresaka amin’ny namana ao amin’ny « facebook » izy, dia mivadika ho tononkalo izany matetika.

FEHIN’NY FIZARANA VOALOHANY Ny fizarana voalohany tamin’ny asa, dia naompana tamin’ny fampahafantarana momba ny mpanoratra. Toko telo lehibe no namahavahana izany.

Tany am-boalohany, dia nojerena ny tanjozotram-pianakavian’ny mpanoratra, ka nampahafantarina tao ny loharano nipoirany sy ny fiaviany ; ny androm- pahazazany, ary ny androm-pahatanorany.

Tao amin’ny toko faharoa, kosa no niresahana ny tanjozotra nivoarany, ka nasiana teny ny mahakasika ny fianarana nataony sy ny asa niandraiketany teto Madagasikara sy tany « Ampita », noresahana ihany koa ny tsangan-keviny.

Tao amin’ny toko fahatelo, araka izany no namahavahana ny momba ny fifandraisany amin’ny tontolo maro lafin’ny zava-kanto. Nasongadina tamin’izany ireo antony mety nahatonga azy ho mpanoratra, ny fivelarany eo amin’ny tontolon’ny zava-kanto, tsy nohadinoina ihany koa, anefa ny nanatsidika ny fomba ifandraisany amin’ny mpanjifa.

Ny fizarana lehibe faharoa ato anatin’ny asa kosa, dia hanasongadinana sy hiresahana betsaka ny mahakasika ny ankapobeny momba ny tononkalo rehetra vory teto am-pelatanana izay natambatra ao amin’ny vondrona ambara. Ny mpanoratra rahateo moa, dia mbola tsy namoaka boky mirakitra ny asa sorany. 78

FIZARANA FAHAROA : JERY FAOBE MOMBA NY TONONKALON’I HEMERSON ANDRIANETRAZAFY : IREO DINGANA NOLALOVANY SY NY FIVOARAN’NY ASA SORANY

79

Hasongadina ato amin’ity fizarana manaraka ity ny ankapobeny momba ny asa soratr’i HEMERSON. Heverina mantsy fa ny fahafantarana amin’ny ankapobeny ireo vainga enti-miasa, dia manampy amin’ny fanasongadinana ny lohahevitra hotrandrahana ao amin’ny fizarana fahatelo. Mba hahitana ny fivoaran’ny asa sorany sy ny dingana nolalovany àry, dia haseho amin’ny endrika vanim-potoana ny fandinihana atao.

Mifandray betsaka, amin’ny lafin-javatra maro, ireo tononkalon’ny mpanoratra. Marihina fa tany amin’ny fahafolo taonany i HEMERSON no nanomboka nandrafitra tononkalo, izany hoe nanodidina ny taona 1970 izany. Nivoatra hatrany ny asa sorany tamin’izany. Rehefa niala tao anatin’ny fakan-tahaka ireo poezia frantsay izy, dia nanomboka nitrandraka ny fahatsapany, ho aingam-panahy enti-mamorona. Nanomboka ny taona 1978 tany ho any izany, araka ny nolazainy. Tsy nijanona teo anefa, fa nirona tamin’ny asa soratra miandàny ihany koa tamin’ny manodidina ny taona 2000, entiny mampisaina ny vahoaka manoloana ny trangam-piainana iainana. Anisan’ny anjara asan’ny mpanoratra rahateo izany. Hoy ry WELLEK sy WARREN “ny mpanakanto dia mpitatitra ny zava-misy ara-tantara sy ara-piarahamonina”.70

Vanim-potoana telo lehibe no azo heverina ho notetezin’ny mpanoratra teo amin’ny asa fanoratana :

- teo ny “vanim-potoanan’ny andrana sy indrana” : 1970-1977 ;

- teo ny “vanim-potoanan’ny firafetan-tsaina tanteraka” : 1978-… ; - teo ny fironany nankany amin’ny asa soratra miandany na ny « fitatao vody hifehezam-bahoaka » : 2000-…

70 WELLEK et WARREN, la théorie littéraire, coll poétique, éd Du Seuil, Paris, 1971, p : 358 « l’artiste est porteur de vérité et nécessairement, il est aussi si porteur de vérité historique et social » 80

TOKO VOALOHANY : NY VANIM-POTOANA ANDRANA SY INDRANA TEO AMIN’NY MPANORATRA (1970-1977) Ny vanim-potoanan’ny « andrana sy indrana », teo anelanelan’ny taona 1970- 1977, no heverina fa niainan’i HEMERSON voalohany indrindra teo amin’ny tontolon’ny soratra. Nambarany fa nifàka tamin’ny fakan-tahaka ny asa sorany tamin’izany, na teo amin’ny lafiny hevitra, na teo amin’ny ara-endrika. Hoy izy : “niankohoka tamin’i Victor HUGO sy i LAMARTINE aho tamin’ireny fotoana ireny. Namaky, nanao tsianjery, ary nisy akony tamin’ny fomba fanoratro izany : toy ny fampiasana ny teny frantsay, ny sarin-teny mahery vaika notsongaina tao amin’ny tontolon’ny angano masina Grika sy Rômana, ny figadona “alexandrin” mampiady refy sy rima tanteraka”71

Misy ihany anefa ny tiana homarihana momba ireo vainga tokony ho niasana, ato amin’ity toko ity. Araka ny efa nambara mantsy, dia nodoran’ny mpanoratra avokoa, hono, ny asa sorany rehetra teto amin’ity vanim-potoana ity, satria tsy nifanaraka tamin’ny fisainany sy ny fieritreretany. Tsy niresaka momba azy, fa toa sarisary noforonina fotsiny. Na izany aza anefa, dia nolazainy fa nisy kahie lehibe iray mbola nisy asa sorany ihany, saingy tsy hita koa io.

Noho izany ampahana tononkalo kely mba tadidiny no hanampiana ny resadresaka nifanaovana taminy, hananganana ity toko ity.

Lafin-javatra telo no hasongadina amin’izany :

- horesahina ao amin’ny zana-toko voalohany ny momba ireo tontolo samihafa heverina fa namatsy azy tamin’ny asa soratra ; - havoitra manaraka izany ireo tara-kevitra nironany ; - hasiana teny ireo toe-javatra nambarany fa nanamarika azy teo amin’ny tontolon’ny kanto.

II-1-1- ireo tontolo samihafa heverina fa namatsy ny mpanoratra Nilafika betsaka tamin’ny vaky boky ny mpanoratra hatramin’ny fahazazany. Mety ho tantara foronina izany, na koa tononkalo natao tsianjery. Nisy akony taminy ny fomba fanoratra sy ny lohahevitra noresahan’ireo mpanoratra tamin’izany. Raha ny

71 Resadresaka ny 15-04-2016, 10 ora, Tahala Rarihasina 81 nolazainy, tsy mbola nanana izay nampiavaka azy loatra izy tamin’ity vanim-potoana ity, fa saika naka tahaka mpanoratra frantsay maro. Izany indrindra no antony namaritana ity ampaham-potoana ity ho « andrana sy indrana » teo aminy.

Hojerena àry ireo nolazainy fa tontolo namatsy azy, ka hasiana teny ny teo amin’ny fomba fanoratra, teo amin’ny aingam-panahy, ary ny fiainany ny tontolon’ny mozika.

II-2-1-1- teo amin’ny fomba fanoratra Nambarany fa i Charles BEAUDELAIRE sy i VICTOR HUGO no tena lohalaharana tamin’ireo mpanoratra tiany. Izany hoe, saika nirona tamin’ireo mpanoratra miraondraona fiteny ao amin’ny asa soratra izy. Ireo mpanoratra ireo mantsy dia mpanonofy : tsy nijanona tamin’izao tontolo izao hita maso, fa nandefa fisainana tany amin’ny tontolon’ny tsy hita pesimpesenina ihany koa, nitanisa ny volana sy ny kintana ary ny habakabaka, sns, tao amin’ny asa sorany. Fotoana nampasiaka ny fitiavana tao amin’ny mpanoratra rahateo moa ity vanim-potoana ity. Tsy mahagaga izy raha nilasitra tamin’ireo mpanoratra ireo mba hanehoany ny firedaredan’ny fitiavany tamin’ny teny miraondraona notahafiny. Nindrana tamin’ny fomba fanoratr’ireo poeta ngezalahy izy, ary nanandrana nanoratra tamin’ny teny anglisy, ihany koa, ankoatra ny teny frantsay sy ny teny malagasy izay efa nanavanana azy.

Inona kosa ireo loharano nanovozany ny aingam-panahiny ?

II-2-1-2- teo amin’ny aingam-panahy Ny mpanakanto tsirairay dia samy manana ny tontolo mety hanovozany ny aingam-panahiny. Ny aingam-panahy moa dia : “ilay talenta nananan’ny mpanoratra ka ahafahany mamoaka sy mandrindra avy hatrany ny fihetseham-pony”72. Amin’i HEMERSON, lafin-javatra telo no azo heverina fa namatsy ny aingam-panahiny. Anisan’izany ny fakana tahaka ireo mpanoratra tiany ka niteraka asa soratra taminy, ny fambolena alahelo tao anaty, ary ny fahitana ny zava-misy.

72 RATSIFANDRIHAMANANA (Cl), in Aingam-pivoarana, lah : 06, tak : 32 82

Nolazain’ny mpanoratra fa teto dia niezaka namorona tononkalo mitovitovy amin’izay novakiny izy rehefa avy mandinika asa soratra iray. Nampiasa rima betsaka, ary nanaja fatratra ny fingadona, sns.

Nomarihany ihany koa, fa tahaka ny maro amin’ny Malagasy, dia mazàna tsy mba manoratra raha tsy mahita na iharana toe-javatra mampalahelo. Rehefa tsy misy izany aza, hoy izy, dia mahavatra manangona sy mamboly alahelo ao anaty mihitsy ny Malagasy rehefa handrafitra asa soratra. Anisan’ny nirona tamin’izany koa izy, ka nanangona zava-mampamendrofendro tao anatiny indraindray mba hahazoany aingam-panahy enti-manoratra. Mazava ho azy fa asa soratra miventy alahelo sy toreo no vokany. Mazàna tamin’ny teny frantsay izy io.

Na teo aza anefa izany, dia nampiseho ny zava-nisy teo amin’ny fiarahamonina ihany izy. Anisan’izany ny tsindry hazolena, ny adin-tsaranga, ny mizàna tsindrian’ila, mahazo ny vahoaka, izay mazàna noventesiny tamin’ny teny malagasy. Ireny toe- javatra nisy teo amin’ny andavan’androm-piainana ireny rahateo no azo ambara ho lohahevitra nandrafitra io vanim-potoana io, ka novoizin’ny mpanakanto maro.

Ny fanaovana ady rima no tena nisongadina teto. Raha toa ka ny fomba fanoratra masika sy mivantambantana no notahafiny tamin’ireo mpanoratra frantsay, dia nanovo ny alahelo, izay fahatsapana nolazainy fa nindraminy teo amin’ny sinibe fivelaran’ny asa soratra malagasy maro izy.

Ankoatra ireo voalaza ireo, dia anisan’ny mpamatsy azy teo amin’ny asa famoronana ihany koa ny fiangaliana ny tontolon’ny mozika. Hojerena ny momba izany.

II-2-1-3- ny fiainany ny tontolon’ny mozika Toe-javatra iray nanamarika azy teto ny firotsahana teo amin’ny tontolon’ny mozika, indrindra ny “vazo miteny”. Nisy fihavaozana lehibe teo amin’ny feo sy ny lohahevitra noresahana mantsy ny mozika malagasy teto amin’ity vanim-potoana ity. Nahazo vahana ny tontolon’ny “vazo miteny”. Anisan’ireo nirona tamin’izany izy. Maro ireo asa sorany no nasiany feony sy nohirainy niaraka tamin’ny namany teny ambony tamboho. Nambarany anefa fa tsy dia lasa lavitra izy ireny, ary tsy dia nentiny niseho ihany koa, fa nokoloiny mangina. Tsy dia avo loatra ihany koa, hono, ny fijeriny 83 ny tononkirany tamin’izany fotoana izany. Ny hiran’dry TSELONINA sy LÖLÖ SY NY TARINY, no tena nanintona sy nahaliana azy, noho izy ireo mampiasa sarin-teny betsaka ao amin’ny tononkira.

Raha ireo àry no azo heverina ho tontolo namatsy azy, inona kosa no tara- kevitra noventesiny tao amin’ny asa soratra ?

II-2-2- ireo tara-kevitra noventesiny Ankoatra ny fanoratana tononkalo tamin’ny teny firantsay sy malagasy, dia nisokatra tamin’ny teny anglisy ihany koa izy teto amin’ity vanim-potoana ity. Tara- kevitra roa lehibe no tena nanintona azy teto : andaniny ny fiventesana ny tontolon’ny fitiavana ; ankilany ny fitaterana ny zava-nisy teo amin’ny fiarahamonina. Hojerena fohifohy ny momba ireo.

II-2-2-1- ny fitiavana Nisongadina betsaka tao amin’ireo asa soratra amin’ny teny firantsay sy amin’ny teny anglisy ity lohahevitra ity. Tsy nijanona teo amin’ny fanoratana tononkalom-pitiavana fotsiny izy, fa nivelatra tamin’ny fanaovana tantara an-tsary ihany koa. Nahavita tantara an-tsary fitopolo takila, hono, izy tamin’izany. Ankoatra ireo, dia nandrafitra taratasim-pitiavana marobe ho an’ireo namany ihany koa izy. Hoy ny fitantarany : « nanana namana niisa dimy ambin’ny folo lahy aho tao amin’ny CEG Tsimbazaza. Rehefa misy tovovavy tian’izy ireo dia izaho no mpanoratra ny taratasim- pitiavany. Rehefa voarindrako tsara dia omeko ilay namako ary adikany amin’ny sora- tanany. Tamin’izany fotoana izany mantsy, dia mbola tsy nisy ny finday fa taratasy lavabe no ifanakalozana. Mazàna dia babo hatrany izay tovovavy nandefasana ireny asa soratro ireny, ary tena tsena nisokatra ho ahy tao Tsimbazaza io asa fanoratana taratasim-pitiavana io »73.

Anisan’ny nampivelatra azy teo amin’ny lafiny soratra koa ny fananany namana nifanakalo sangan’asa taminy. Tsy mpiara-mianatra anefa ireny, fa saika namany tany amin’ny fanaovana fanatanjahan-tena. Nisy andro, hono, mifanao fotoana mba hiresaka momba ny tontolon’ny soratra fotsiny izy ireo. Ny olana dia tsy mba nieritreritra ny handrakitra ireny asa soratra ireny ho azo tehirizina ny mpanoratra

73 Resadresaka ny 03-12-2015, 9ora,Tahala Rarihasina 84 tamin’ity vanim-potoana ity. Nijanona fotsiny tamin’ny kahie na taratasy kely hatrany izy ireny, ka dia very an-javony teny.

Ankoatra ny fihirana ny fitiavana, dia niresaka ny fiainam-piarahamonina ihany koa izy, dia ny momba ny fahantrana indrindra indrindra.

II-2-2-2- ny fahantrana Noventesiny betsaka tamin’ny teny malagasy ity tara-kevitra ity. Nasehony tamin’ny endrika malahelo sy mitoreo ny endriky ny fahantrana lalina niainan’ny Malagasy. Niantso ny vintana, ny anjara, ny lahatra, sns, hono, izy tamin’izany rehefa niresaka ny fahantrana lalina niainan’ny Malagasy. Indro misy ampahana asa soratra :

« Manjopelaka ny tara-masoandro mandrefy tamboho

toy ny olona domelina Ralaikamboty raha nifoha

tsy mba manan-tokantrano fa ny alika zary namany

no fizarany alahelo, ny ory mantsy no tsy manana ».

Rehefa hita ireo tara-kevitra noresahany, dia ndeha hasiana teny ireo toe- javatra nanamarika azy teo amin’ny tontolon’ny soratra.

II-2-3- ireo toe-javatra nanamarika azy Ankoatra ny fanoratana tononkalo, nifanerasera betsaka tamin’ny soratra sy teny izy teto. Nilona tanteraka tamin’ny famakiana boky. Hoy izy : « anisan’ny asa nampanaovina anay tany am-pianarana, tamin’ny kilasy fahaefatra sy fahatelo, ny fanaovana famintinana vaky boky iray isaky ny tapa-bolana, amin’ny taranja frantsay. Jereko ny bokin’ireo namako, ka raha tiako sy mahaliana ahy dia angatahiko ho vakina. Ho tambin’izany anefa, dia hanaovako famintinana izy ireo. Mazàna dia nahazo isa ambony hatrany ireny asa nataoko ireny »74

Ankoatra izany dia nisongadina teto ihany koa ny fitroarana hiala ny fefy sy ny geja nitaizana azy. Nolazainy fa nifamaly sy nifandona matetika izy sy ny rainy, ary dia niteraka asa soratra teo amin’izy mianaka izany. Hoy izy : « nanodidina ny taona 1975 tany ho any dia nisara-toerana ny fianakavianay. Nanao varo-mandeha tany

74 Resadresaka ny 03-12-2015, op cit 85

Tsiroanomandidy mantsy ny reniko, ka lasa nipetraka tany izy sy ireo zandriko rehetra. Izaho sy ny raiko kosa nonina tao Mahamasina ihany, noho ny fianarana sy ny asa. Nifamaly matetika izahay mianaka tamin’izany satria tsy dia nitovy hevitra loatra.. Izy moa nanana izay tanjony tamiko izay efa nandasirany ahy hatramin’ny fahakeliko. Notereny ho matotra be sy handray andraikitra be avy hatrany aho, ary ho hendry be ihany koa. Tsy nety tamiko anefa izany satria izaho mbola tanora te haka tsirony amin’ny fiainako. Nisy kahie 200 takila izay nifanoratanay mianaka. Rehefa tezitra mafy amiko ny raiko, dia tsy mifanatrika miresaka izahay, fa manoratra ao anatin’io, ary apetrany eo an-dohafandriako. Mamaly izany aho, ary dia toy izany foana no nifanaovanay mianaka nandritra ny fotoana naharitra. Indrisy anefa fa tsy hitako ny toerana nampirimany io kahie io ankehitriny. Izy rahateo efa maty »75.

Rehefa tapitra ny taona 1977 dia tapa-kevitra izy, fa tsy hilafika amin’ny fakan- tahaka intsony, fa haneho ny maha izy azy ao amin’ny asa sorany. Nifototra betsaka tamin’ny fahatsapana tao anatiny no namoronany tononkalo. Nanomboka ny taona 1978 dia nambarany fa tsy mba nanoratra afa-tsy izay zavatra tsapany na iainany na saininy izy. Ndeha hovahavahana ao amin’ny toko faharoa ireo asa sorany nanomboka teo.

75 Resadresaka ny 03-12-2015, op cit 86

TOKO FAHAROA : NY VANIM-POTOANAN’NY FIRAFETAN-TSAINA TANTERAKA TEO AMIN’NY MPANORATRA (1978 - ….) Rehefa tapitra ny vanim-potoanan’ny “andrana sy indrana” teo amin’ny mpanoratra, dia niezaka nandrafitra asa soratra nifandraika tamin’ny fahatsapany izy ny taona 1978. Maromaro ny tara-kevitra novoiziny nanomboka teo. Ankoatra ny fizarana ny tontolom-pitiavana mantsy, dia nirona tany amin’ny lafiny pôlitika ihany koa izy nanomboka ny taona 2000. Mbola hojerena ao amin’ny toko fahatelo ny momba izany. Niezaka niala tamin’ny fefy rehetra nangeja ny fanehoana hevitra ao anaty tononkalo izy. Hasongadina ato amin’ity toko faharoa ity, ny fahatsapan’ny mpanoratra mahakasika ny tontolom-pitiavana. Ny fitiavana izay anisan’ny toetra ananan’ny olombelona tsirairay ; eny fa na dia ireo ratsy fanahy indrindra aza dia mbola miaina azy io ihany. Mazàna dia io no handrariana nofinofy entina mandrafitra ny ankilany tiany hasongadina.

Lohahevitra roa lehibe no entina mamahavaha ny firesahan’ny mpanoratra momba ny tontolom-pitiavana :

- andaniny, ny endriky ny fitiavana amin’ny ankapobeny ; - ankilany, ny mpanoratra sy ny tontolon’ny fitiavan’olon-droa.

II-2-1- ny endriky ny fitiavana amin’ny ankapobeny Singan-javatra iray lehibe mamatsy ny fiainan’ny olombelona, indrindra ny tontolon’ny fo, ny fitiavana. Anisan’ny toe-javatra miantoka ny fahavelomana izy. I HEMERSON, dia mametraka ho ambony ny toeran’izy io eo amin’ny olombelona tsirairay sy/na ny olombelona mifandray amin’ny hafa. Aminy, antoky ny fisiana, ary mampilamina ny zotram-piainan’ny olombelona, ny fitiavana. Lafin-kevitra roa no anehoany izany ao amin’ny tononkalony. Aminy,

- ny fitiavana dia fanoitra iray mamaritra ny maha olombelona ; - ny fitiavana manototra ny nofy sy ny nofinofin’ny mpanoratra ;

II-2-1-1- ny fitiavana dia fanoitra iray mamaritra ny maha olombelona Miankina betsaka amin’ny fihetseham-po ny fitiavana, ary ny olombelona tsirairay dia samy mahatsapa azy io ao anaty avokoa. Maro amin’ny mpanoratra no miresaka izany. Anisan’ireny ihany koa i HEMERSON. Aminy dia toa singan-javatra 87 mihatra aman’aina mihitsy izy io, ary fanoitra iray lehibe amaritany ny maha olona. Tebo-kevitra telo no tena misongadina amin’izany, ny fitiavana dia : hery anaty mamatsy ny tsirairay ; mampifandray ny olombelona rehetra; ary mampifandray ny olona amin’ny tontolo ivelan’ny tenany.

II-2-1-1-1- hery anaty mamatsy ny tsirairay ny fitiavana Ny olombelona tsirairay dia samy manana fo afaka mitory fitiavana. Io no mampirisika azy hanao hetsika eo amin’ny fiainany. Mazàna izy io, hery avy ao anatiny, izay manosika azy ho tia olona na zavatra na toe-javatra iray. Mampilamina ny zotram-piainan’ny olombelona izany. Zava-dehibe ny fananana io fihetseham-po maneho fitiavana io. Amin’ny mpanoratra, manan-danja ny fikoloana io fitiavana teraka ao anaty io. Hoy ny tononkalony : teny tsy teraka ( VA, lah : 42, tak 60 )

“Misy teny indraindray miraondraona tsy hay ambara mibitsibitsika ao am-po, tranga, teny tsy sariana, tsangateny tsy valiana mialoalo toy ny rano milelalela toy ny afo. (…)” Filàna fototra amin’ny olombelona, izay atosiky ny fientanam-po maniry ny ho tanteraka ao amin’ny tsirairay, ny fitiavana. Mitoetra ao anaty izy, ary mazàna mitady saha hivelarana, toy ny tontolo iainana, ny olon-tiana : mety ho tena misy na toe-javatra nonofinofisina fotsiny. Rehefa tsy mifanohina aminy ireo singa iantefan’ny fitiavana ireo, dia maty momoka ilay fitia. Raha voavondrona ho teny sy ho serasera nifanakalozana kosa izy, dia ambara, lazaina, zaraina, toriana amin’ny hafa. Asehon’ny mpanoratra amin’ny hoe : “teny tsy teraka” eto, ny tenim-pitia tsy navondrona ho hevitra ambara, fa mitambolona ao anaty fotsiny. Fitiavana tsy tonga volana satria tsy lasa teny. Eto dia toy ny angovo ao anaty fotsiny izy, ka “miraondraona, mibitsibitsika, tsy sariana”, izany hoe tsy tonga sary hay fantarina, fitia tsy valiana. Ity karazam-pitiavana ity dia mitoetra mandrakariva ao anatin’ny tsirairay fotsiny ihany, ary miandry toerana sy fotoana hivelarany. 88

Amin’ny mpanoratra, toe-javatra mamatsy ny fisian’ny olombelona, ary tsy azo ampitahaina amin’ny toe-javatra hafa, ny fitiavana. Matetika tsy misy ny feo, na teny, na fihetsika mahalaza ny fihetseham-po lalina sy feno fitiavana avy ao anaty. Tsy dia miandry tambiny na setriny avy amin’ny hafa izy io, kanefa koa mety hameno sy hanafotra ary handoro ny fo manontolo mihitsy aza. Araka izany, mitàna anjara toerana lehibe eo amin’ny olombelona, ny fitiavana.

II-2-1-1-2- mampifandray ny olombelona rehetra, ny fitiavana Toe-javatra fototra mampifandray ny olona amin’ny tontolony sy amin’ny mpiara-belona aminy, ny fitiavana. Io no ambaran’ny mpanoratra fa tetezana arafitra na iriana hirafitra mba hampifandray ny tia sy ny tiana, na ny tena sy ny hafa. Ny fikatsahana ny tanteraka eto, dia mirona any amin’ny tontolo hizaràna fitiavana mampifandray ny rehetra. Mijanona ho nofinofy ihany anefa izany matetika noho ny fahasamihafana. Tsy mandeha ho azy ny hisian’ny fifankatiavana eo amin’ny samy olombelona, fa mitaky fihetsika maneho fitiavana avy amin’ny tia, izay manaitra sy miantso ny fijerin’ny hafa. Hoy ny tononkalo : henoy (VA, lah : 19, tak : 34 )

“(…) Henoy tsy lavitra anao misy feo mihiaka mangina mandrafitra, maminavina rohy sy tantara aminao (…) » Eto dia ahitana fidirana an-tsehatra eo amin’ny sehatry ny fitiavana, manambara ny fihetseham-po amin’ny hafa, ary miantso sy manaitra ny fitiavany. Mandalo amin’ny fitaovam-pahatsapana toy ny sofina eto ny fitiavana, ary miantefa any amin’ny tontolo manodidina akaiky ny tena, hitoriana fitia sy andrariana rohy iraisana. Asehon’ny mpanoratra eto, fa eo amin’ny manodidina anao eo dia misy fo mitepo fitiavana, mitady ny mba hifandray aminao. Ny fitiavana araka izany dia toy ny kofehy afaka mampifandray ny olombelona rehetra. Ary izany no antoky ny fisian’ny fiaraha-miaina milamina ka mahatonga ny fiarahamonina ho azo iainana. Marina fa samy manana ny maha izy azy ny tsirairay, ary samy manana izay mampiavaka azy, kanefa rehefa atambatry ny fitiavana, dia lasa iray fo sy iray aina. 89

Raha ny fitiavana izany no atao filamatra, dia io no lasa kofehy mampifandray ny olombelona rehetra. Ny fikatsahana ny tontolom-pitiavana mahafinaritra, izay ifampizaràna amin’ny hafa moa, dia fanirian’ny olombelona rehetra, saingy sarotra tanterahina tokoa. Anisan’ny mametraka izany ho filamatra ny mpanoratra sy ny mpanao asa kanto.

II-2-1-1-3- mampifandray ny olombelona amin’ny tontolo iainany, ny fitiavana Tsy ny olombelona samy olombelona ihany no atambatry ny fitiavana, fa ny olombelona sy ny tontolo manodidina azy ihany koa. Ireo lahabolana nentim- paharazana malagasy, toy ny angano dia mampiseho fa mifandray amin’ny zavaboary manodidina azy, ny fiainan’ny zanak’olombelona. Jereo, ohatra ny tantaran- dRakotojabo : nanisy soa ireo biby marobe izy, ka tonga namaly ny antsony ireo rehefa mba nila fanampiana izy. Ary tsy hoe fanampiana toy izany ihany akory no mety ho azon’ny olombelona avy amin’ny zavaboary. Na dia eo amin’ny fiainany andavanandro aza, dia tsy mitsahatra ny mitondra zava-tsoa ho azy ny zavaboary. Fahafinaretan’ny saina ary mitondra haravoana ho an’ny fo amam-panahy ohatra, ny feo malefaky ny rano mikoriana, ny fitsotsoky ny rivotra, ny siotsiokan’ny voronkely isan-karazany, sns. Hoy ny andalana vitsivitsy ao amin’ny pi-maso ( VA, lah : 03, tak 10 )

“(…) Feon-driana, rotsin’ahitra siotsiokan-tsarivazo no hitondra anao hisonga handrefy tany ambany volana hanefy teny ambony rano (…)”. Ambonin’izay voalaza etsy aloha, loharanon’ny aingam-panahin’ny mpanoratra ny tontolo voary manodidina azy. Tsy dia mahagaga izany satria hatramin’ny fahazazany, noho ny rainy niasa teo amin’ny sehatry ny fanolokoloana ny ala sy ny tontolo iainana, dia notezaina ho amin’izany ihany koa izy. 90

Eto dia ny zava-misy voafaritra ao amin’ny tontolo iainana, toy ny “riana, ahitra, sarivazo” sns, no mivondrona ho rafitra misy dikany ao amin’ny tontolon’ny mpanoratra, ary ataony sary entiny maneho hevitra. Ny sarin-teny izay anisan’ny harena ananan’ny teny malagasy no ampiasain’ny mpanoratra hanehoana fihetseham- po kanto mihoatra ny fefy apetraky ny voajanahary. Ny tany sy ny teny, izay ny zana- peo “a” sy ny “e”no tsy itoviany, no asehon’ny mpanoratra eto. Ny “tany ambany volana” dia ny tontolo misy sy ny habakabaka mandrafitra izao tontolo izao ; ny “teny ambony rano” kosa, dia ny hevitra havondrona ho teny ao anatin’ny toe-javatra tsy azo tsapain-tanana. Ny fampiasan’ny mpanoratra ny sarin-teny maro ao anatin’ny asa soratra moa, dia mifandraika betsaka amin’ny maha mpanosodoko azy.

Azo lazaina araka izany, fa fitiavana lalina, fitiavana mifamaly ny an’ny olombelona sy ny zavaboary. Mbola io fitiavana io ihany koa no mampifamatotra ny mpanoratra amin’ny olon-tiany, amin’ny namany, amin’ny mpiara-belona aminy. Manototra ny nofiny sy ny nofinofiny manontolo izany fitiavana izany.

II-2-1-2- ny fitiavana manototra ny nofy sy ny nofinofin’ny mpanoratra Sokajin’olona telo araka ny efa natsidika tetsy aloha no iantefan’ny nofy sy ny nofinofin’ny mpanoratra, dia ny olon-tiany, ny namany, ary ny mpiara-belona aminy.

II-2-1-2-1- ny mpanoratra sy ny olon-tiany Ankoatra ny maha singa iray entin’ny mpanoratra mamaritra ny maha olombelona, ny fitiavana, dia mazàna manototra ny nofinofiny ihany koa izany. Eto, ny misongadina dia ny nofinofy maneho fahatsapam-pitiavana rehefa tafasaraka ny tia sy ny tiana. Ny faniriana, ny sento, sns, no arindrany amin’ny teny, ary entiny mameno ny banga ao aminy. Hoy izy : irery ? !!! ( VA, lah : 18, tak : 33 )

“Sambatra ny alina miampofo anao milamina anaty fahanginany sonenika ny nofy mitondra anao misonga mananika ny lanitra (…)” 91

Mampitombo ny halalim-pakan’ny fifankatiavana eto, ny fisarahan-toerana eo amin’ny mpifankatia. Ny fotoana no entin’ny mpanoratra mandrefy ny fitiavany, dia ny alina izany, ka maminavina tontolo tonga lafatra iainan’ny olon-tiany izy. Ny alina feno fahanginana, maha irery azy, kanefa koa andefasany fisainana lavitra. Ny hareraham-batana vokatry ny rotoroto no manainga ny saina handefa nofinofy any amin’ilay olon-tiana. Mahatsapa fijaliana izy amin’izany, ary manina ny fiarahany tamin’ny olon-tiany. Izay fanofinofisana ny olon-tiana tsy eo anilan’ny tena izay koa no ambaran’dRADO ao amin’ilay tononkalony hoe “Izy”

« Nafoiko ianao, ka indro Ny erika mifafy, mamonto izato vatana Nentiko namindro … Sitrany ho malana teo amorom-patana.

Dia niezaka aho nanefy Endrika hitovy lasitra aminao … Nataoko tsara refy Ny masony mitopy ho toy ny masonao (…)76 Samy maneho fijaliana ateraky ny fisarahan-toerana, na ny tononkalon’i HEMERSON na ny an’dRADO. Mahatsapa tsy fahafenoana ilay nilaozana, ka mandrary nofinofy ao an-tsainy.

II-2-1-2-2- ny mpanoratra sy ny namany Tsy voafetra ho an’ny olon-tiana ihany ny fitiavana, fa mipàka any amin’ny namana ihany koa. Ny namana amin’ny mpanoratra, dia : havana nofinidy, misy rohy arafitra any ankoatra ny Razana iraisana. Araka izany, misy safidy eo amin’ny olona iray, ka izay eken’ny sainy sy ny fo amam-panahiny no raisiny ho namana. Tsy voatery hisy rohim-pihavanana noho ny ra iombonana ohatra, mampifandray ny mpinamana, fa vokatry ny fitiavana tanteraka. Hoy ny tononkalony : namana

“Ianao,

76 RADO, dinitra, edisiona NEW PRINT, natonta fanintelony, tak : 41 92

Ry ilay havako tohin’ny tenako ianao no ilay namako toy ny tenako ianao, tsy taovako tsy volovoloko laniko manta fa silaky ny aiko finidy amin’ny maro ianao, ilay havako tsy iray loloha fa hafa fototra hiankinan’ny saiko hiaraha-mamindro raha sendra fanala ianao, ilay namako ekeko ho tenako na tsy iray lafika ianao, hasahiako hamoizako ny aiko raha handeha hiantafika !” Antony maro samihafa no mety hahatonga ny olona ho mpinamana : ny fiaraha-mianatra, ny fiaraha-miasa, ny fitovian’ny finoana arahina, ny fitovian’ny 93 fomba fijery, ny fomba fisaina, ny tanjona kendrena eo amin’ny fiainana, sns. Tsy mahasakana ny fifankatiavan’ny mpinamana ny firazanana na ny taona tsy mitovy. Harena lehibe ho an’ny olona iray ny fananany namana maro any amin’ny sehatra samihafa. Mampivelatra ny sainy sy ny maha olona azy manontolo mantsy izany. Raha sanatria ka tsy mba manana io fitiava-namana io ny olona iray, dia hikombona ao amin’ny tenany samirery izy. Hitarika azy ho amin’ny fitiavan-tena izany, ka tsy hahita tsirony eo amin’ny fiainana izy. Tena zava-dehibe amin’ny mpanoratra, ny fananana namana hotiavina, hizaràna ny hafaliana sy ny alahelo. Mbola tsy ampy anefa izay, fa ny mpiara-belona mihitsy no tokony hotolorana fitiavana.

II-2-1-2-3- ny mpanoratra sy ny mpiara-belona aminy Tsy miafina amin’ny mpanoratra ny zava-misy eo anivon’ny fiarahamonina sy ny firenena : manjaka ny samy maka ho azy ka zary hadino na iniana tsy jerena ny soa iombonana. Tonga amin’ilay voalazan’i E. D. ANDRIAMALALA hoe : tery ny izao tontolo izaon’ny olona ka tsy mahita afa-tsy ny tenany na ny vady aman-janany ihany izy. Tsy manary toky anefa ny mpanoratra manoloana izany. Manantena izy fa hisy ny olona hitsangana hanarina izao tarehin-javatra izao. Toa hitany ao anatin’ny nofinofiny ny fiovan’ny tontolo iainany, ka tsy ilay tontolo hanjakan’ny fitiavan-tena intsony, fa tontolo vaovao onenan’ny olona manao ho zava-dehibe ny fifampitsimbinana sy ny fikatsahana izay hahasoa ny mpiara-belona aminy. “Tontolon’olo-mendrika”, hoy izy, izany hoe tontolo iarahan’ny olona rehetra miriaria ao anatin’ny fifankatiavana tanteraka. Ho foana ny fitiavana hanambàka na hanjakazaka amin’ny hafa, ka samy ho afaka hiaina an-kalalahana ny tsirairay. Fifandraisana tsy misy hevitra maizimaizina na fihatsarambelatsihy no hampifamatotra ny mpiara-monina, ary dia fiarahamonina mirindra no ho vokatr’izany. Hoy ny tontolo nofinofiko ( VA, lah 79, tak : 115 )

“(…) Izaho maminavina tontolon’olo-mendrika mahay mandrefy habaka hanjakan’ny saina mba hiarahana miaina ao anaty fahafahana 94

(…)” Amin’i HEMERSON izany dia miseho amin’ny endrika roa lehibe ny fitiavana amin’ny ankapobeny ; ankoatra ny maha fanoitra iray mamaritra ny maha olombelona azy mantsy, dia manototra ny nofinofin’ny mpanoratra koa izy io. Hasiana teny ao amin’ny zana-toko manaraka ny tontolon’ny fitiavan’olon-droa resahin’i HEMERSON.

II-2-2- ny mpanoratra sy ny tontolon’ny fitiavan’olon-droa Ankoatra ireo toe-javatra efa voalaza teo ambony, dia hidirana lalindalina kokoa ato amin’ity zana-toko ity, ny fandinihana ny momba ny fitiavan’olon-droa, izay hita fa mibahan-toerana kokoa ao amin’ireo asa soratry ny mpanoratra miresaka momba ny tontolom-pitiavana.

Hasiana teny fohy aloha ny hoe : “aza kafaraina”, izay andian-teny iantsoan’ny mpanoratra ireo tononkalo rehetra nosoratany, miresaka ny fitiavan’olon- droa.

Ny hoe : “aza kafaraina” dia manana hevitra hoe : aza asiana fimonomononana, na koa hoe : aza anaovana faran-teny, sns. Mazàna dia asiany io andian-teny izay toa mitory fanamarihana io hatrany, ireo asa sorany mihira fitiavana miredareda. Hoy ny fanazavany azy io : “amin’ny maha mpampianatra ahy, dia mifanerasera amin’ny tovolahy sy tovovavy maro aho. Matetika dia mitangorona amiko izy ireo. Ny mason’ny hafa anefa, tsy mba mahita afa-tsy ireo tovovavy ! … miantraika any amin’ny asa soratro izy io, satria mazàna rehefa manoratra aho, dia ho an’ny tenako no hanaovako azy. Indraindray ihany koa mampiady anay mivady mihitsy ilay toe-javatra nosoratako, satria miteraka hasarotam-piaro ao aminy. Tato aoriana dia tapa-kevitra aho, fa isaky ny avy manoratra tononkalom-pitiavana dia asiako fanamarihana hatrany hoe : “aza kafaraina”.77

Tebo-kevitra telo no hovahavahana ato amin’ity zana-toko hiresahana momba ny “aza kafaraina” ity :

- ny ankapobeny momba ny fitiavan’olon-droa ; - ny tontolom-pitiavana katsahin’ny mpanoratra ;

77 Resadresaka ny 05 desambra 2015, op cit 95

- ny fiantraikan’ny fitiavana ao amin’ny olombelona.

II-2-2-1- ny ankapobeny momba ny fitiavan’olon-droa Mandalo dingana maromaro ny fifankatiavana araka an’i HEMERSON. Ireto avy izany :

- teraka ; - mifandray amin’ny filàna ; - mivadika ho finoana.

II-2-2-1-1- ny fahaterahany Maro ireo mpanoratra miresaka ny fahaterahan’ny fitiavana eo amin’ny indray mipy maso. Anisan’ireny koa i HEMERSON. Miandoha eo amin’ny fifankahitana voalohany ny fifaneraserana eo amin’ny olon-droa. Tsikaritra fa ny olo-mandalo sy miserana no manaitra ny maso sy mampifoha ny fitiavan’ny mpanoratra. Hoy ny tononkalony hoe : Topi-maso ( VA, lah : 45, tak : 64 )

“Dinitra … hazakazaka sy vonjy ankamehana no nandramby indray mielatra ny masonao nanjelatra teo an-doha-tohatra Asa ?!!! rivotra nikisaka sa izaho nirimorimo fa jery indray mipàka no sendra nisaringotra aloka fisiana dia nanjary feno anao ny tokotany keliko … 96

Jery nisaringotra dia lasanao ny saiko !” Mampita fihetseham-po lalina eo amin’ny olon-droa mifanena ao anatin’ny kisendrasendra, ny topi-maso mifanojo. Misy aza ny mpanoratra sasany no manambara, fa eo amin’ny maso no hita ny ao anatin’ny fo. Araka izany, anisan’ny singa manan-danja eo amin’ny fitsiriana sy famborahana fitiavana, ny maso. Tsy izany ihany, fa miantoka ny fivelaran-tsaina ihany koa izy. Voasokajy ho isan’ireo vavahadin-tsaina dimy ao amin’ny fahatsapan’ny olombelona mantsy ny maso. Mety hanaitra ny saina sy ny fo araka izany, ny fahitana olona iray manintona ny tena. Mazàna, manaitra ny fihetseham-pon’ny mpanoratra ny fifanojoan’ny maso eo amin’ny olon-droa na dia tsy mifankahafantatra akory aza izy ireo. Tsy voatery ho amin’ny alalan’ny teny hatrany mantsy ny famborahana ny fitiavana, fa afaka mampita ny vetson’ny fo koa ny maso. Maneho izany koa ny andalana vitsivitsy ao amin’ny pi- maso fisaorana ( VA, lah : 07, tak : 16 )

“(…) Sendra topi-maso nifanojo ny antsika dia nivatsy singan’aina hifamikitra tsy laitra (…)”

Matetika dia fihetseham-po mandalo fotsiny izy io, ary tsy maharitra ela. Mety hisy ihany ny fifandraisana haorina amin’ilay olona, saingy tsy ho lasa lavitra izany. Fanomezana fahafaham-po ny maso mijery ny hasoan’ny tovolahy na tovovavy fotsiny eto ny fitiavana. Toa tsy mahagaga àry raha ny bika aman’endrika no tena soritsoritan’ny mpanoratra rehefa miresaka olon-tiana izy.

Ambonin’izay voalaza tetsy aloha, tsy vitan’ny hoe : mampita fitiavana fotsiny ny maso, fa anisan’ny maneho firaisana aina eo amin’ny olon-droa koa ny fifanatrehany. Misy fifandraisana am-po sy fifankatiavana lalina ao amin’ny olona ambara ho iray aina. Izay manjo ny ankilany amin’izany, dia toa mahazo ny andaniny ihany koa. Toy ny tanan-kavia sy havanana izy roa, ka izay didia-maharary. Misy 97 itoviany amin’ny tontolom-pitiavana vetsoin’dRADO ao amin’ny asa sorany izany toe-javatra izany. Hoy ny tononkalony hoe : nofy :

“Topimasonao nandeha tan-kisendrasendra angamba, Ilay namaly ny ahy variana, revo tamin’ny endrikao Nefa dia tsaroako loatra ho nahadala, nahajamba … Nampisondrotra ny vidim-panombanako anao.”78 Mety tsy ho kisendrasendra ny fisian’ny fitoviana amin’ny tara-kevitra resahan’ireto mpanoratra ireto, satria anisan’ireo mpanoratra ankafizin’i HEMERSON, RADO.

Ankoatra ny maso, mampita zava-miafina mandona ny fo amam-panahin’ny mpanoratra ihany koa, ny tsikin’ny olon-tiana. Mametraka sary tsy mety afaka ao an- tsaina izany. Mazàna dia mitamberina matetika izy io, ary miteraka fahavarianana eo amin’ny asa atao. Maneho izany ny ampahany amin’ny eeeh ! serananao dia kirana (VA, lah : 24, tak : 41)

“Voarakitra an-tsary milentika ao an-tsaina ny tsikinao miserana ka tsy hita izay holazaina izaho mibanjina sahirana sondriana tsy anerany tandré am-pitsanganana malaina hanodin-doha hiatrika ny atao (…)” Mifandray betsaka eto ny maso sy ny tsiky. Samy antom-pitsirian’ny fitiavana ireo. Tsy mety miala ao anatin’ny maso sy ny eritreritra mantsy ny fahatsiarovana ny endrika sariaka ananan’ilay olon-tiana. Miverina ao an-tsaina izany amin’ny fotoana

78 RADO [Georges ANDRIAMANANTENA], “nofy”, in dinitra, natonta fanintelony, imprimerie NEW PRINT, Antananarivo, tak : 22 98 tsy voafetra, ka mahavariana ny saina, ary mety tsy hahavitàna ny asa atao mihitsy aza. Toa lasa manjohy ilay olon-tiana foana mantsy ny fisainana rehetra.

Tsy ny saina amana eritreritra ihany no babony tanteraka fa ny tena manontolo mihitsy.

« (…) Torakovitra ny aiko triatra rovitra ny aiziko (…) » Izany hoe, zary mientanentana be ihany ny tenany rehetra : tora-kovitra izy, mahatsiaro ho fanina, nefa koa toa mahita tara-pahazavana mampanantena fahasambarana ho azy. Tsy tiany hijanona ho fanantenana fotsiny anefa izany fahasambarana izany, fa iriny ny hahatanteraka azy. Mitondra azy ho any amin’ny lazainy hoe : « faniriana adala » izany, faniriana manohitra ilay « lamako tsy mipaka » tokony ho endriky ny fitiavana lazain’i E. D. ANDRIAMALALA ao amin’ny Fofombadiko. Tiany ho azy manontolo – vatana, fo, fanahy – ilay nambabo azy. Hoy ny tohin’ny tononkalo :

«voasaringotra ny saiko nandramby anao dia revo indray mitsikinao dia fanina kirana sy valalanina … Aza kafaraina iny tsidy-masoko iny raha toa ka rendrika any ny faniriako adala ! »

Tsy fitiavana nofinofy fotsiny izany no irian’ny mpanoratra, fa fitiavana manome fahafaham-po ny filàna.

II-2-2-1-2- ny fitiavana dia mifandray amin’ny filàna Na i E. D. ANDRIAMALALA ao amin’ny Fofombadiko voalaza etsy aloha, na i ao amin’ny Izy mirahavavy dia samy manambara fa ny fitiavana mijanona eo amin’ny fifaningoran’ny saina, fo, fanahy fotsiny no fitiavana haharitra 99 mandrakizay. Toa tsy dia izany loatra no hita ao amin’ny tsongom-potoana mandrefy doria, ( VA, lah : 02, tak : 09 ) tononkalon’i HEMERSON. Hoy ny andalana vitsivitsy ao :

« Mba mena koa raha mena rehefa injay mangoro-vitsika ‘lay alanao tsy andravina ka mitsiky sy mibitsika hatrany an-tendakeliny mahamay mangotrakotraka. Eo no asesiko ny diako (…) » Amin’ireo andalana ireo, dia ny fahasambarana gohin’ny mpifankatia eo amin’ny fotoana ahatanterahan’ny filàna ara-nofo mihitsy no vetsoin’ny mpanoratra. Somary mivantambantana mihitsy izy milaza fa mahatsiaro ho « mangoro vitsika » ny tena manontolo, mila tsy ho avy miaina aza fa mahamay ny vatana rehetra.

Amin’izay ora ahatanterahan’ny filàna ara-nofo izay, dia toa mijanona eo ny fotoana. Toa tsy ao an-tsaina akory izay mety ho tohin’izany amin’ny ho avy.

Tsy midika akory izany voalaza rehetra izany, fa fitiavana mifahatra amin’ny ara-nofo fotsiny ny fitiavana amin’ny mpanoratra, ka vita hatreo rehefa tonga ny fahafatesana. Miteraka finoana ao aminy io.

II-2-2-1-3- ny fitiavana dia finoana Hoy ny mpanoratra ao amin’ny Ianao no finoako (VA, lah : 23, tak : 39 )

« (…) Fa izao no mba hinoako : mbola handindona ahy hatrany ambadika tsy ambara ilay tsela-masonao niangoty, nitantara fa nisy rary nisasarana 100 nisy lasa niarahana nisy teny noforonina tsy hain’ny hafa ho tononina fa tenintsika teny irery … (…) Ianao anie Tsy foiko Ianao no finoako ! » Ambarany eto fa rehefa tonga ilay fotoana tsy maintsy hisarahana eto an-tany, ka lasa any amin’ny « ambadika tsy ambara » Izy, dia tsy mifarana eo akory ny fitiavany ilay olon-tiany, tsy ho foana toy ny tsy misy avokoa akory ireo fotoana mamy niarahana, ireo angotingoty kely, ireo teny manan-kery manokana « tsy hain’ny hafa notononina ». Aminy izany, mandresy ny fahafatesana ny fitiavana. Lasa finoana velona ao aminy ilay malalany.

Mino sy manantena ny hiaina ao anaty fitiavana tonga lafatra araka izany i HEMERSON. Ndeha hojerena ny fiheverany sy fanatrarany izany.

II-2-2-2- ny tontolom-pitiavana katsahin’ny mpanoratra Sokajin-kevitra roa no aroson’ny mpanoratra hahatrarana ny fitiavana tonga lafatra : tsy manisy ahiahy amin’ny teny sy ny toky nomen’ilay olon-tiana ; mandray azy amin’ny maha izy azy manontolo.

II-2-2-2-1- tsy manisy ahiahy amin’ny teny sy ny toky nomen’ilay olon-tiana Amin’ny mpanoratra, tsy fihetseham-po fotsiny ny fitiavana, fa eo koa ny safidin’ny saina mamakafaka sy mandanjalanja. Tsy fatorana mangeja araka izany ny fitiavana, fa mamela ny mpifankatia hanana fahalalahana. Ary izany no miteraka fahasambarana ho an’ny andaniny sy ny ankilany. Tsy hahazo toerana ny hasarotam- piaro raha izany, dia ny hasarotam-piaro izay mety hiteraka savorovoro miafara amin’ny fisarahana. Zava-dehibe, ary tokony ho ampy ny toky nomen’ilay olon-tiana. Hoy izy ao amin’ny tanjao amin’ny foko aho !!! ( VA, lah : 27, tak : 44 )

“Ilay toky izay nomeko ela niako tato am-poko 101 ankehitriny vava latsaka … Nefa aza araraotinao horaofina eo imolotro eo izay teny efa nekeko raha hitazona ahy ianao (…) Aoka tsy ho tontolo mihidy mikaton’aty mihinjihinjy ny teny toky hifanomezana (….)” Ny fitiavana ny olon-tiana sy ny fitiavana ny hafa, dia tontolo tsy mifanipaka na mifanohitra akory. Maneho endrika fitiavana midadasika kokoa ny fisian’ny fitiavana ny hafa, izay ivelarana amin’ny maha olombelona. Ny tontolom-pitiavana mantsy dia tsy tontolo mihidy gadrain’ny fitiavan’olon-droa, fa ifampizarana amin’ny hafa ihany koa. Sehatra tsy tery dia tery araka izany ny tontolom-pitiavana amin’ny mpanoratra.

Mamono ny fahafahana hivelatra amin’ny maha olombelona ny fitiavan-tena. Raha sanatria ka voagejan’io ny andaniny sy ny ankilany, dia ho toy ny voagadra izy roa. Araka ny voalaza tetsy aloha, dia tokony hiara-dalana hatrany ny fitiavana sy ny fahafahana.

Tsy tonga lafatra na mahavita tena ny olombelona tsirairay, fa mila ny hafa hatrany. Araka izany, ny olona tena mahay mitia, dia izay mahay mameno ny maha olona azy ao amin’ny fifandraisany amin’ny hafa. Izany rahateo no tanjona amin’ny fitiavana.

II-2-2-2-2- fandraisana amin’ny maha izy azy manontolo ny olon-tiana Na dia efa mpivady aza ny olon-droa, dia tsy voatery hanana fomba fisainana sy firehan-kevitra mitovy akory. Samy nanana izay fomba nitaizana azy mantsy izy roa, ary samy nanana ny tontolo niriariavany fony fahazaza. Tsy lasitra iray koa ny olombelona, fa samy manana ny maha izy azy. “Singa roa” samy hafa araka izany ny 102 mpivady na dia afatotry ny kofehin’ny fanambadiana aza. Koa tsy mety raha mikatsaka ny hamono ny maha izy azy ny andaniny, ny ankilany. Mariky ny fitiavan-tena loatra izany. Raha azo atao aza, dia ampandeferina ny fomba fihevitra na fomba fijerin’ny tena izay mety tsy hampirindra ny fiainan-tokantrano. Raisina amin’ny maha olona mandia tany ka mety ho solafaka, ary miloloha lanitra ka mety ho lena azy ilay olon- tiana. Tsy fahendrena ny manatsinkafona na mitsikera mandrakariva izay mety ho kilemany. Ny toetra mendrika sy ambony ao aminy aza no tokony havoitra. Izany hoe tsy mitady izay hifamonoana ny roa tonta, tsy mikaroka izay hamonoana ny maha izy azy ny andaniny, fa miezaka kosa ny hampanjary ho harena ny fahasamihafana. Raha fehezina izany, dia raisina amin’ny maha izy azy manontolo, olona manana lafin-toetra maha te hidera nefa koa manana ny kilemany, ny olon-tiana. Hajaina izay maha izy azy izay, ary arindra amin’ny maha izy azy ny tena, izay tsy vonoina ihany koa akory. Tena mari-pitiavana izany. Fitiavana toy izany no tian’ny mpanoratra ho ao amin’ny tsirairay. Hoy ny tononkalony : singa roa ( VA, lah : 10, tak : 19 )

“(…) fa ny todi-masontsika tsy nitsahatra nitsara tsy mba reraka nizaha izay tsiny entin’ny ankilany … tsy mety hanaiky na hanavaka f’ilay hafa efa voarapaka voatelina any an-tsoson-koditra dia mbola hafa noho ny hafa raha tany toa ka mety ho refi-jerinao ny tenako na mba fitaratro ny anao rehefa tsy eo imasonao moa aho ho afaka hiverina 103 ho ilay izaho nohadinoiko raha toa tsy hahavery anao ?” Mbola maneho izay fikatsaham-pahafahana eo amin’ny tontolom-pitiavana izay ihany koa ny ampahany ao amin’ny hanitr’ambala-tapia ( VA, lah : 17, tak : 31)

“(…) Raha izaho, hono, no mety ho anao ary ianao mba mendrika ho ahy … tsy hataoko fitia kobam-boanjo ka hojifaina amin’ny sila-manify fa hoentiko toy ny atody rambesy-milanto ambongadiny ho bononoka mitakova-mavo harapako hatramin’ny sisony” Raha fehezina izany, mitaky fahaizana miara-monina amin’ny hafa ny fanambadiana mba tsy haharava azy. Zava-dehibe ao anatin’izany ny tsy fanakianana izay ampahan-toetra na ampaham-piainana mety hoheverin’ny andaniny fa ratsy sy tsy mety ao amin’ny ankilany. “Ho bononoka mitakova-mavo, harapako hatramin’ny sisony”, hoy ny mpanoratra, raha manohatra ny olon-tiany sy ny toetrany izy. Mampiasa fanovana endri-javatra azo avy amin’ny fanafiana toetran’ny anoharana, ny oharina izy eto. Ny olon-tiana no oharina, ary tsy eo kosa ny anoharana, fa toetrany iray no eo : “bononoka”. Io dia zava-pihinana tian’ny olona maro na dia mahery fofona aza, mangahazo masiso efa nalona tany anaty rano nandritra ny fotoana naharitraritra, ary mahavoky tokoa. Somary misy ampahany miloko mavomavo izy io mazàna. Toy izany toetra ananan’ny bononoka izany, no anoharan’ny mpanoratra, ny fitiavana ny olon-tiany. Tsy tonga lafatra izy, saingy iny kilemany iny mihitsy no tokony handraisana sy hitiavana azy.

Raha karazam-pitiavana toy izany àry no irian’i HEMERSON hifampizarana sy iarahana amin’ny olon-tiany, ahoana ny mety ho akon’izany ao aminy ?

II-2-2-3- ny fiantraikany ao amin’ny olombelona Singan-javatra iray lehibe manaitra ny fihetseham-pon’ny olombelona rehetra, ny fitiavana. Mifandray betsaka amin’ny toerana sy ny fotoana izy io amin’i 104

HEMERSON. Misy fiantraikany eo amin’ny fiainam-pitiavana asehony mantsy, ny elanelan-tany sy ny elanelam-potoana manasaraka ny mpifankatia. Ireto ny toe-javatra hovahavahana ato amin’ity zanaka andininy ity :

- ny fifandraisan’ny mpanoratra – ny toerana – ny fitiavana ; - ny fifaningoran’ny mpanoratra – ny fotoana – ny fitiavana ; - ny vokatry ny fitiavana rava.

II-2-2-3-1- ny mpanoratra – ny toerana – ny fitiavana Mety hiteraka zava-droa loha mifanohitra ny fisarahan-toerana eo amin’ny mpivady na ny mpifankatia ; andaniny mety hanamafy orina ny fifankatiavana izany ; ankilany kosa mety hiteraka fampirafesana. Hoy ny fitantaran’ny mpanoratra ny fihetseham-pon’ny nilaozana, ao amin’ny : rongatra ( VA, lah : 01, tak 08 )

« Lalina ity ny mahazo fa ny tenako tanako ihany nefa tsy tantiko kosa ny hamefy ny fo sy fanahy hangeja filàna miavosa mandroatra toa rano mafana mitopa manafotra ny aiko milentika anatin’ny saiko mitroatra … mankany aminao (…) » Tsy mba voafehin’ny elanelan-tany ny fitiavana ao amin’ny mpanoratra. Mahatsapa tsy fahafenoana hatrany mantsy ny tena rehefa tafasaraka amin’ilay silam- panahy. Amin’izany indrindra no tena ahatsapana ny lanjan’ny olon-tiana eo amin’ny famenoana ny tsy ampy ao amin’ny tena, ary mazàna aza, vao mainka mampiredareda ny fitiavana izany. Tsy voafehy intsony ny fihetseham-po, fa lasa manjohy izay misy ny olo-malala. Izany toe-javatra izany no ambaran’ny mpanoratra fa filàna takian’ny fo sy fanahy, ary tsy mba hay fehezina. Valalanina sy torovana ny saina sy ny vatana rehefa tafasara-toerana ny mpifankatia. Oharin’ny mpanoratra amin’ny toetran’ny 105 rano eto ny fihetseham-pon’ny nilaozana. Ambarany fa “mandroatra, mitopa, milentika, mitroatra, midoboka”, sns.

Nampifandraisin’ny mpanoratra eto ihany koa ny toetry ny fitiavana sy ny toetry ny lalana nizoran’ilay olon-tiana izay zohin’ny eritreriny. Hoy ny tohin’ny tononkalo :

« (…) Mibolisatra mamakivaky ny lalan’ny mody masoandro mihazo ny moron’ny riaka midoboka mbola aminao (….) » Mbola maneho io fihetseham-pon’ny mpanoratra amin’ny fandaozan’ny olon- tiana io ihany koa ny ampahany ao amin’ny tsiahy indray nielatra ( VA, lah : 33, tak : 51 )

« (…) Ny aty na misy masoandro, baliaka sy tomarataratra, toa manjombona tsy misy anao ! mandririnina lavitra anao … » Hasiana teny manaraka, ny mikasika ny fotoana.

II-2-2-3-2- ny mpanoratra – ny fotoana – ny fitiavana Ankoatra ny maha tsy maha-lavi-tany ny fitiavana, mifandray betsaka amin’ny fotoana ihany koa izy io. Misy manko ny tantaram-pitiavana efa lasa, izay tsy mba mety hadino tanteraka. Mibahan-toerana ao amin’ny asa soratra ny fikaloana ny fahatsiarovana ny lasa. Hoy ny ampahany ao amin’ny aza kafaraina ( VA, lah : 22, tak : 37 )

« Misosa milamina toa rano mikoriana 106 ny vesatry ny ela dia lany teo ny taona … (…) Fa nitroatra tampoka ilay alokao nanidina sisan-drevorevo tsy levon’alahelo io ianao mijidina toa nofy tsy niniana (…) » Mandeha tsikelikely ny fanadinoana ny olon-tiana izay nisaraka tamin’ny tena. Heverina fa efa foana tanteraka ny fitiavana azy rehefa dify ny taona maro. Tsy araka izany anefa ny zava-miseho, satria mitamberina ao an-tsaina hatrany ny fiarahana amin’ny fotoana tsy ampoizina. Eo no tena ahatsapana fa misy sombin’alahelo tsy mba mety maty ao am-po, fa kolokoloina ao anaty nofy hatrany. Toa hita mandindona ny tena mihitsy mantsy ny tsanganan’ilay olon-tiana, ary mifoha indray ny fahatsiarovana rehetra. Tsy mba mety lefin’ny fotoana ny fitiavana ao amin’ny mpanoratra.

Mbola maneho izany koa ity tononkalo ity : tsingerin-tsiahy ( VA, lah : 12, tak : 22 )

« Ny fahitako anao no namoha eritreritra mireny am’pahoriana antsahan-dratrako omaly » Miteraka ratra tsy mety maty ao am-po izany ny faharavam-pitiavana. Hovahavahana misimisy kokoa ny momba izany.

II-2-2-3-3- ny vokatry ny fitiavana rava Miteraka ratram-po sy fahadisoam-panantenana ao amin’ny olombelona ny faharavam-pitiavana. Mety hiteraka aretina mahafaty mihitsy izy io amin’ny 107 mpanoratra. Hoy ny tononkalo : tsiahy anao … ho anao tsy ahy ( VA, lah : 13, tak : 23)

« Niherina ny taona tsy mbola tana foana fa mitady anao ny foko (…) Niezaka aho namafa nifofo mba hamono ilay lasa … ho lasa foana … fa misy ampaha-tenako midradra sy mikiry mitady anao matetika mitady ilay faha iny.

Voalazanao matetika ary ekeko tsara ny ampitso antenaina ho sarotra amintsika (…) » Misongadina amin’io lohateny io ny fahadisoam-panantenana sy ny alahelo lalina ao amin’ny mpanoratra. Raha tsorina ny filaza azy dia hoe : tsy mety fa mahatsiaro anao foana aho, kanefa fantatro fa tsy ho ahy akory ianao. Na dia mba miezaka ny hanadino ihany aza ny saina, dia tsy mety ho tony ny fo, fa mikiry ny hahatsiaro ny lasa niarahana foana. « Mitady ilay faha iny », hoy ny mpanoratra.

Rehefa mihodina anefa ny andro sy ny volana ary ny taona, dia mety hihalefy tsikelikely ihany izany fitiavana noheverina fa tsy ho lany tsiro mandrakizay izany. Hoy ny mpanoratra ao amin’ny aiza izay ianao ? ( VA, lah : 44, tak : 62 )

« (…) 108

Nihodina ny taona dia nisoka nentin-drivotra ny emboka madity nahosotrao ny handriko … (…) Nangina koa ny gadona nanempotra ny tratrako rehefa ianao mampievina … Nisosoka ny vao nohavaoziko ny ela dia iny ianao fa sarona mba ahafahako miarina … Nikatona ny feriko nisinda ny tadidy (…) » Resin’ny fotoana araka ny hita ao amin’ireo andalana vitsivitsy ireo ilay fitiavana niredareda. Nanampy ny fotoana tamin’izany asa fandravana izany ny fahatongavan’ny olon-tiana vaovao. « Nisosoka ny vao, nohavaoziko ny ela », hoy ny mpanoratra.

Ny fitiavana tokoa moa toy ny ketsa ka raha afindra maniry. Dia « sarona », izany hoe takona tsy hita intsony ilay malala fahiny. Fitiavana hafa indray, fitiavana vaovao no nasolo azy mba hanasitrana ilay ratram-po. « Nikatona ny feriko », hoy ny mpanoratra. Midika izany fa tsy voatery ho tsy misy fanafana akory ny fitiavana rava. Ary na ny fahatsiarovana azy aza mety ho levona « nisinda ny tadidy ».

Raha aravona izany, manaiky ny mpanoratra, fa nandratra ny fony tokoa ny faharavan’ilay fitiavana voalohany. Mba tsy hampitolefika azy tanteraka anefa, dia nitady fitia vaovao izy, ary dia nahita. 109

Manafatra ilay malalany nandratra ny fony i HEMERSON, fa raha te ho sambatra izy, dia tsy tokony ho izay lafitsarany tamin’ny fiarahan’izy roa, na ny mety ho toetra tsara mba nananany no hotsarovany, fa izay lafiny maharikoriko sy tsy maha te ho tia. Hoy izy ao amin’ny ny momba antsika ( VA, lah : 20, tak : 35 )

“(…) Raha tia hidify ianao ka hamono sy hamongotra ny embon’ny omaly, havondrony ho teny ratsy dia randrano ho rindran’ozona ny momba ahy … sy ny fisiako dia ho sambatra ianao !” Tsapa anefa ao ambadik’ireo teniny ireo, fa mbola tia izy. Resaka fotsiny ilay filazany tetsy aloha fa “nikatona ny feriko”. Raha ny tsikaritra, misongadina amin’ny toetran’i HEMERSON ny maha olon’ny fo azy raha eo amin’ny resaka fitiavana no asian-teny. Toa tsy mba mahay mihatsara ivelan-tsihy mantsy izy rehefa mitia olona iray, fa tena miraikitra tanteraka, mitia amin’ny fo manontolo mihitsy hany ka maharary mafy azy ny fisarahana.

Niaina faharavam-pitiavana toy izany koa ry Benjamin CONSTANT sy SENACOUR, saingy ny azy ireo kosa dia vady tao an-trano no voatery nisaraka noho ny disadisa samihafa. Koa raha ny taona 1790 no natao, tany Fribourg ny fanambadian’i SENACOUR, dia rava tanteraka izany ny 1802 79. I Benjamin CONSTANT koa dia niroso tamin’ny fanambadiana an-tsokosoko raha nanambady an’i Charlotte de HARDENBERG taorian’ny faharavan’ny fanambadiany. Ny diampenin’i Benjamin CONSTANT hoe : “CECILE”, dia manasongadina io fifandraisany tamin’i Charlotte de HARDENBERG io 80.

79 LAGARDE et MICHARD, XIX ème siècle, p : 22 « Il se marie, mais son union n’est pas heureuse, elle aboutira à une séparation définitive en 1802 » 80 LAGARDE et MICHARD, XIX ème siècle, p : 22 « (…) après avoir épousé secrètement Charlotte de Hardenberg (…) CECILE nous rélève ses relations avec Charlotte de Hardenberg (…) » 110

Matetika no zary fefy mametra ny fahalalahan’ny fiainam-pitiavana, araka ny fiheveran’ny mpanoratra azy, ny fepetra apetraky ny fiarahamonina momba ny fitiavana sy ny fanambadiana. Ny fikatsahana ny fahafahana eo amin’ny fiainana no nimasoan-dry Georges SAND, sy ny namany, ary nampanjakainy teo amin’ny fiainam-pitiavana izany. Anisan’ny mirona amin’izany tsangan-kevitry ry zareo rômantika izany koa i HEMERSON.

Tato anatin’ity toko ity, no niresahana betsaka momba ny tontolom-pitiavana resahin’ny mpanoratra. Ny tsapa dia singan-javatra mamaritra ny maha olombelona, ny fitiavana. Anisan’ny antoka mampilamina ny fifandraisana izy, ary koa angovo mamatsy ny tsirairay amin’ny hetsika rehetra ataony. Ny nofinofim-paniriana hanao zavatra rehetra mantsy, mazàna asesiky ny fitiavana hatrany. Teo amin’ny firesahana momba ny « aza kafaraina » kosa, dia hita fa manohina ny fon’ny mpanoratra avokoa, na ny fitsirian’ny fitiavana, na ny fiainana azy, indrindra ny faharavany. Asehony amin’ny endrika kanto sy feno sary hatrany moa ny hevitra aposany amin’ny fanehoany izany. Hasiana teny manokana ao anatin’ny toko fahatelo, ny momba ny « fitatao vody hifehezam-bahoaka », dia ireo tononkalon’i HEMERSON ANDRIANETRAZAFY miresaka ny tontolon’ny pôlitika izany.

111

TOKO FAHATELO : NY VANIM-POTOANA NIRONAN’I HEMERSON ANDRIANETRAZAFY TAMIN’NY TONONKALO MIANDANY : “NY FITATAO VODY HIFEHEZAM-BAHOAKA”

(2000 - … ) Ankoatra ireo asa soratry ny mpanoratra mivetso ny fitiavana, mibahan-toerana ihany koa ireo tononkalo miresaka ny lafiny pôlitika, dia ny rafi-pitondrana sy ny rafi- piarahamonina izany. Nisongadina kokoa teo amin’ny tononkalo, nanomboka ny taona 2000 izany, ary nantsoiny hoe : “fitatao vody hifehezam-bahoaka” izy ireo.

Ny marihana anefa, dia hatodika amin’ny lohahevitra hanompanana ny asa fikarohana ny fanadihadiana ity toko ity. Araka izany, tsy ho voajery amin’ny lafiny rehetra ireo tononkalo ireo, satria midadasika be ny hevitra voalaza ao. Mialoha ny hirosoana amin’ny fanadihadiana dia ‘ndeha hasiana fanazavana ny andian-teny hoe: “fitatao vody hifehezam-bahoaka”.

Ny fitatao vody hifehezam-bahoaka

Io andian-teny io dia ahitana sarin-teny fanovana anarana isehoan’ny fasian- javatra misolo toerana ny ao anatiny, ka ny anjara asan’ny fitaovana no entina mamaritra ny anarany. Izany hoe : Fitatao vody = enti-manondro “seza” Hifehezam-bahoaka = enti-manondro ny anjara asan’ny mpitondra fanjakana mpifehy vahoaka Raha ny dikany ara-bakiteny izany, dia enti-manondro ny “sezam-panjakana” io andian-teny io. Raha ara-kevitra kosa, io sarin-teny io no noforonin’ny mpanoratra hanamarihany ny fomba fijery mivoana ananan’ny Malagasy mikasika ny atao hoe : pôlitika. Ambaran’io andian-teny io, fa zary lasa fitadiavan-toerana sy fitadiavan- tseza, ny fitondram-panjakana. Tsy mahatsapa tena ho manana anjara asa ny hitsinjo ny fandrindrana ny daholobe intsony ireo mpitondra firenena, fa mipetraka ho rafitra mpifehy ny vahoaka fotsiny.

Amin’ny ankapobeny hevitra telo lehibe no tena voizin’ny mpanoratra ao amin’ny “fitatao vody hifehezam-bahoaka”: 112

- ny fitiavan-tenan’ireo olom-bitsy mahazo fitondrana ; - ny fikitihana ny olona mba hanome hasina ny saina ; - ny famaritana ny antsoina hoe : vahoaka.

II-3-1- ny fitiavan-tenan’ireo olom-bitsy mahazo fitondrana Anisan’ny anjara asan’ny mpanoratra ny fampahafantarana ny zava-misy iainan’ny firenena. Hoy RAOLISON (R.R) “ [ny mpanoratra], Izy no mametsovetso ireo faniriana mamelovelo anao, mamelovelo ao anatin’ny fon’ny vahoaka, ka ataony an-kira, ataony tantara, ataony hirany mihitsy. Ary izay no maha hafa kely azy. Ka na hatrany andafy na hatraiza hatraiza, rehefa misy fientanam-bahoaka dia misy ny atao hoe, amin’ny teny frantsay “litterature engagée”. Amintsika kosa, dia atao hoe “hiran’ny tolom-bahoaka”.81 I HEMERSON, dia anisan’ireo mpanoratra mirona any amin’ny firesahana ny tontolon’ny pôlitika.

Raha tsiahivina, maro ireo hetsi-bahoaka nampiongana ny fitondrana nisy, hatramin’ny nahazoan’i Madagasikara ny fahaleovan-tena. Anisan’ireny ireto : 1972, 1991, 2002, 2009. Ny mpitondra fotsiny anefa no toa niova tamin’ireny, fa tsy ny fiainan’ny firenena, satria tsy nihatsara mihitsy ny zava-misy, fa vondron’olona mitady toerana hatrany no tena misongadina. Hoy izy :”isaky ny mitady hivondrona ny eritreritry ny vahoaka, dia vizanina amin’ny resaka tsy misy dikany. Resaka pôlitika mahamonamonaina sy mampiteny ratsy no atao sy voizina amin’ny haino aman-jery rehetra”82.

Tsy izay ihany anefa, fa mibaribary ihany koa ny tsy fiovan’ny rafitra misy. Saika ireo olona manodidina ny mpitondra ihany mantsy, hoy izy, no mifandimby eo amin’ny fitondrana. Marobe ireo tononkalo mitsikera izany. Hoy ny ampahany ao amin’ny efa leo ve Itena ? ( VA, lah : 58, tak : 83 )

“(…) Ry fireneko mitoloko tsy ilaozan-tabataba irehafan-dry Betrena

81 RAOLISON (R.R), Taterin’i Lolo RAJOHNS, in Rijan-kevitra fandinika ny Rindran-kira malalaka, Boky faharoa, ed Aingavao, Antananarivo, 1958, tak : 49-50 82 Resadresaka ny 21-12-2015, op cit 113 handihizan’ny Kevoka fa matsiro toa inona ny sezam-panjakana no mifikitra tsy laitra sy miaro hadalana ireo sendra novintanina hiakatra tsy nahy ambaben’ny firenena ? (….)” Tsy ilaozana olana sy tabataba ny firenena vokatry ny fitiavan-tenan’ireo andian’olona miady ho eo amin’ny fitondrana. Mahantra sy mijaly ny vahoaka tsy manan-tsiny noho ny fanjakazakan’izy ireo. “Ireo sendra novintanina” hoy ny mpanoratra. Toa milaza izany, fa kisendrasendra ihany no nahatongavan’ireo olona ireo teo amin’ny fitondrana. Eto moa dia manontany tena mihitsy ny mpanoratra hoe : “fa matsiro toa inona ny sezam-panjakana ?”. Ny tsapa mantsy, zary lasa raharaham- pianakavian’olom-bitsy ny raharaham-pirenena, ary dia mifikitra sy tsy mety miala eo ireo. Hoy ihany ny mpanoratra ao amin’ny fitatao vody hifehezam-bahoaka ( VA, lah: 60, tak : 89 )

“(…) Fitatao vody tsy mety hifandovàna no maha fadiran’ovana hiadiana tsy ankisangy ka ny vitsy no mamantsika fa ny Be no indray torovana”. Noho ny fitiavan-tenan’ireo andian’olona tonga eo amin’ny fitondrana dia “torovana”, izany hoe fadiranovana sy mahantra ny vahoaka maro an’isa. Mifikitra mafy eo amin’ny toerany mantsy izy ireo na dia efa hita aza, fa tsy mahavita ny andraikiny amin’ny fanasoavana ny firenena sy ny vahoaka akory. Ambaran’ny mpanoratra eto, fa ny seza no tena “fantsihana” ho mafy tsara sy tsy hiozongozona, 114 rehefa tonga eo amin’ny fitondrana. Manoloana izany tsy rariny rehetra izany, miezaka ny mpanoratra hikitika ny hambom-pon’ny vahoaka ho tonga saina.

II-3-2- ny fanomezan-kasina ny saina Anisan’ny singa lehibe mampiavaka ny olombelona amin’ny biby ny fananana saina mandanjalanja. Io saina io no entin’ny isam-batan’olona mandinika ny zavatra rehetra hataony. Misy ihany anefa ny endrika tsy fahatongavan-tsaina eo amin’ny vahoaka, ka eo indrindra no antom-pisian’ny mpanoratra. Izy manko no mijoro ho arofanina hizara mialoha ny fahatsapany amin’ny manodidina azy. Mpanentana ny olona ho tonga saina izy.

Avoitran’ny mpanoratra fa ny mpanao pôlitika sy ny mpitondra fivavahana, dia samy mametraka rafitra hangejana ny fisainan’ny Malagasy avokoa. Andininy roa araka izany no hamahavahana ny fitarihan’ny mpanoratra ny olona mba hanome hasina ny saina. Andaniny, ny fanabadoana ataon’ny mpanao pôlitika, ankilany ny famefena ny olona tsy hisaina ataon’ireo mpitondra fivavahana.

II-3-2-1- ny fanabadoana ataon’ny mpanao pôlitika Raha vao ny saina no resahana, dia ny sehatra asandratra ao amin’ny olombelona no tiana hotenenina. Ao amin’ny loha mantsy no tena maha olona ny olona. Mifanohitra amin’izany anefa ny zava-misy amin’ny rafi-pitondrana eto Madagasikara. Toy izao ny kisarisary anehoan’ny mpanoratra ny fomba fanaon’ireo mpitondra, ao amin’ny teny kely ho an’i Lita. “(…) dia revo ianao manangona antontan-taratasy maitso ataonao kidoro, dia nololohavinao ny akalana ary nipetrahanao ny ondana”83 Ambaran’ny mpanoratra eto, fa variana manangon-karena ho azy samirery ireo mpitondra. Hadinony ny maha olona manan-tsaina azy, ary raha tsorina aza, dia mifamadika tanteraka mihitsy ny zavatra tokony sy ny tsy tokony hataony. Anisan’ny endrika hamefen’ny mpitondra ny sain’ny vahoaka tsy ho lasa lavitra, ny lainga tsara lahatra ataon’izy ireo. Hoy ny mpanoratra ao amin’ny ry zareo ( VA, lah : 80, tak : 117 )

“Miedinedina Rakevoka

83 Tambazotran-tserasera facebook, 23-12-2015 115 rafiatsarana ivelan-tsihy hipetaka an-tsoso-koditra lalotra an-tsisi-molotra feno hosoka sy fitaka (…) na hitata sy hivava hitsinkafona eny foana ny erotrerony maivana sy ny taingitaingin-tsaina mivalana any am-parahatony !!!” Ny fampanantenana poakaty ataon’ny mpitondra amin’ny vahoaka no resahan’ny mpanoratra eto. Ambarany fa “lalotra an-tsisi-molotra” fotsiny ireny. Izany hoe : resa-be tsy mba misy marina akory. Ny toetran’ireo olona ireo no tanisainy. Lazainy fa “kevoka”, “mpiatsara ivelan-tsihy”, ary “mpandainga”. Ireo rehetra ireo, dia maneho ny fahamaivanan-tsaina ao amin’ny olombelona ihany, ary ambaran’ny mpanoratra, fa tsy maintsy “hitsinkafona” eny ihany ireny, ary ho afa-baraka ny mpanao azy. Mbola maneho io toetran’ny mpanao pôlitika io koa ny kombom-bava lavareny ( VA, lah : 76, tak : 112 ) “(…) dia niainga tato aoriana ronono an-tavy iray barika nolaroina lelam-pitana handrobohana ny bado sy ny very mari-drefy (…) nohararaotinao ny gina dia narafitrao ho geja hitombenanao an-tampony dia mbola hafafinao foana ny hevi-petsy maro lafy mampiandra anao ho sangany eo an-tsahan’ny sagnagna 116

(…)” Oharin’ny mpanoratra amin’ny poizina omena ny vahoaka ireny resa-be tsy hita noanoa ireny eto. “Ronono an-tavy iray barika, nolaroina lelam-pitana” , hoy izy. Ireo olona tsy dia ampy fandinihana matetika no mino azy ireny. Mangina sy tony ny vahoaka eo am-piandrasana ny fahatanterahan’ireny toky sy fampanantenana ireny. Manararaotra manandevo kosa ireo mpitondra mandritra izany :“nararaotinao ny gina, dia narafitrao ho geja” Mbola endrika fanabadoana ny vahoaka ihany koa ny famefena ny sainy tsy hieritreritra afa-tsy ny ankehitriny. Ambaran’ny mpanoratra mantsy, fa ny vahoaka malagasy dia efa nozarina mihitsy, fa ny tena antoky ny fiainana, dia ny fahitana sakafo sahaza isan’andro. Rehefa mihinana dia ampy, ary izay no tena fiainana. Hoy ny ampahany ao amin’ny mahereza daholo e !!! ( VA, lah : 65, tak : 96 ) “(…) Ry Maromiaritra mangina miforitra amin’ny nofinofiny tsy hanofy raha tsy hanina tsy hihoitra raha tsy vary … (…)” Tsy ny vahoaka mahantra sy fadiranovana ihany anefa no ambaran’ny mpanoratra fa voatampi-maso amin’ny sakafo, fa eo indrindra koa ireo olona tokony hampahafantatra ny zava-misy amin’ny vahoaka. Hoy izy ao amin’ny mikoro indray mihontana ( VA, lah : 61, tak : 91 ) “(…) Nozarina mihitsy tsy ho ary saina fa sovaly telo sy hena nasaly dia mahatampim-bava (…)” Ankoatra ny mpanao pôlitika, mpamefy ny fisainan’ny olona tsy ho lasa lavitra koa ny tsangan-kevitra apetraky ny karazam-pinoana rehetra. 117

II-3-2-2- ny famefena ny olona tsy hisaina ataon’ireo mpitondra fivavahana Manampy trotraka ny fanararaotana ataon’ny mpanao pôlitika amin’ny vahoaka, ny tsangan-kevitra tsy natao hiadian-kevitra aroson’ny mpitondra fivavahana. Amin’i HEMERSON, dia rafitra mangeja ny olombelona tsy hahatakatra ny zava-misy izy ireny. Hoy izy ao amin’ny minoa fotsiny hoy aho ! ( VA, lah : 121, tak : 174 ) “Tandremonao anie e fa ny teniko tsy teniko fa tenin’olon-kafa notsongoina tamim-boky nataon’ny hafa hofantarina hanamarinam-pahalalana f’ianao mpanjifa hadalàna tsy mitsahatra mivarina no tena tokony hanarina

Tandremonao tsara f’izaho mahay mamaky teny sy mahay mamakafaka tsy toa anao miambakavaka antsoin-dala-migodàna ao anaty fahotana (…) Tandremo ka tandremo fa ny vavako mivolana dia tsy vavavava foana fa fantsona manani-danitra mpitondra tenin’Andriamanitra ka izay fijeriko … vinaniny fa izaho no mpaminaniny ! … 118

Ka raha vao mihetsika ny molony : arotsahy ny ampahafolony !!!” Miresaka ireo mpitondra fivavahana manambaka vahoaka ny mpanoratra. Koa dia mitaona ny olona izy mba hisaina, hamakafaka tsara, handanjalanja ny teny ambaran’izy ireo, fa tsy avy hatrany dia handray izay voalazany ho tenin’Andriamanitra tsy azo iadian-kevitra intsony. Misy tokoa mantsy ireo mino fa rehefa mandrotsaka ny “ampahafolon”-karenany izy dia ho voavonjy, ary handova ny lanitra. “Mpanjifa hadalàna” izay manao izany, hoy i HEMERSON. Io hoe hadalàna jifain’ny ankamaroan’ny olona io, dia ny teny maro miharo fandresen-dahatra nefa feno fitaka ambaran’ireo mpitondra fivavahana. Izy ireo moa dia tena havanana amin’ny fandresen-dahatra ny olona mba tsy hampiasa ny sainy intsony, ary ho tafiditra ao amin’ny haratony. Ho latsaka ao anatin’ny fahotana anefa izay mety ho voajono amin’izany. Malalaka rahateo ny lalana mankany : “antsoin- dala-migodana, ao anaty fahotana”, hoy ny mpanoratra. Mbola maneho io fitsikeran’ny mpanoratra ny fitiavan-tenan’ireo mpitondra fivavahana ireo koa ny fiekena tsy finoana ( VA, lah : 134, tak : 188 ) “(…) Tsy mino aho fa misy lalana soritam-bintana any an-danitra na sinoritra ao am-boky ka hamaritra ny diako ho amin’ny tsy azo ihodivirana (…) Izaho tsy mino fahadalàna sarontsaronan-teny mamy ka dradraina eny an-dalana hamerezana ny bado ! Ary ho anao ry BELAZAO mpandrindra teny safo vody tsy mino aho hoe fahamboniana itony ianao milangalanga ho avo sy mitingitingina 119 rehefa ianao mamarin-tena ho mihoatra foana ny olon-tsotra ka ny toriteninao mitory tena hoe tsy takatra nefa lavaka hivoahana no ataonao mari-drefy miantoka ny momba anao !”

Mamelively ireo mpitondra fivavahana mihitsy izy eto. Lazainy fa mihevi-tena ho zavatra izy ireo, mihevitra azy ho ambonin’ny olona rehetra, ho manana saina ambony tsy takatry ny olon-tsotra ka dia mitory izao “antsanga tsy aman’orana” rehetra izao. Lazainy moa fa misy ireo lalàna voalazan’ny Soratra Masina izay tokony hotandremana sy harahina, satria izany no miantoka ny hahatongavana any an-danitra. Ary dia ireo lalàna ireo no araraotiny anambakana ireo ondry tandremany. Aminy mantsy dia bado, ary vonona ny hanaraka izay lazainy fotsiny ireto farany. Toa mangina tokoa ireto lazaina ho bado manoloana ireo mpitondra karazany roa ireo, dia ireo mpitondra fanjakana sy ireo mpitondra fivavahana izany. Tsy fahanginana midika ho fiaretana foana izay rehetra atao aminy anefa izany, fa fahanginana mba handinihana tsara ny tokony hatao sy hamolavolana ny tetika hialana amin’ny fanambakana sy ny famoretana atao aminy. Dia hivadika ho fitroarana ny fahanginana, ka asa raha hahatanty izany ireo mihevi-tena ho hany fetsy eto ambonin’ny tany ireo. Hoy ny mangingina hoe e ???!!! ( VA, lah : 69, tak : 102 ) “Milamina tsara ny aty mangingina ny aty … Fa tsy ginan’ny bado tsy mihiratra na fialan’ny tofoka an-dalana fa mangina mijery anareo manao foana ny hafa ho adala ka manara-po sy mitrifana mangoron-kariana tsy miato mamoron-dalàna hamoretana 120 hamoretana ny antsika iombonana (…) Mangingina ny aty e ! koa asa raha ho zakanao izao lanjan’ny ginako izao !!!”

Sady mitsetra no maneso ireo mpitondra fanjakana ihany koa ny mpanoratra ao amin’ny “teny kely ho an’i Lita”. Hoy izy :“(…) tolotoloran’ny olona tsipikely marain-tsy hariva dia revo hatramin’ny saham-piheverana ka mitranga lela toy ny amboa miandry taolana eo am-panantenana “famatsiam-bola” hibabena trosa miavosa”84. Aminy dia na tsy lalin-tsaina araka izay iheverany ny tenany ireo mpitondra ireo, na mba manan-tsaina ihany saingy tsy mijery afa-tsy izay ho tombontsoan’ny tenany fotsiny ihany, ka tsy mitsinjo ny firenena sy ny mpiray tanindrazana aminy, ary indrindra ireo taranaka any aoriana, matoa miandrandra fanampiana lava izao toy ny amboa kely miandry hotsipazana taolana. “Sari-olona” na koa hoe “Betsiandraofana” no iantsoan’ny mpanoratra azy ireo. Toy izay sy toy izay no fahitan’i HEMERSON ireo mpitondra. Hojerena manaraka ny ataony hoe “vahoaka” na dia efa nasiana resaka ihany aza tetsy aloha ny fihetsiky ny vahoaka.

II-3-3- famaritana ny antsoina hoe : vahoaka Fitambaran’ny mponina rehetra eo amin’ny habaka iray voafaritra mazava tsara ary fehezina rafi-panjakana iray no antsoina hoe : vahoaka. Voambolana tsy manavaka antokon’olona izy io, ary mahafehy ny olom-pirenena rehetra. Hoy RAOLISON raha mamaritra ny atao hoe vahoaka izy : “olom-pirenena amin’ny fanjakana iray, ny sarambaben’ny olona, ny valalabemandry”85

Asehon’i HEMERSON ao amin’ny tononkalony fa misy elanelana eo amin’ny famaritana sy ny fampiasana ny voambolana hoe : vahoaka. Mizarazara tokoa mantsy ny hevitr’io teny io arakaraka ny toeran’ilay olona mampiasa azy eo amin’ny

84 Tambazotran-tserasera facebook, 23-12- 2015 85 RAOLISON (R.R.), Rakibolana malagasy, tak : 1007, Fianarantsoa 1995 121 fiarahamonina. Toe-javatra roa no ambaran’ny mpanoratra fa amaritan’ny mpitondra izany : - tohatra ho fiakarana eo amin’ny fitondrana ; - fitaovana entina mitsentsitra ny harena iombonana.

II-3-3-1- tohatra ho fiakarana eo amin’ny fitondrana Araka an’i HEMERSON, ny voambolana hoe : “vahoaka” dia manana hevitra hoe : fitaovana entin’ny mpanao pôlitika mandrandrana hevi-petsy. Hoy ny fanazavany azy : “vangongon’olona mihaohao, ampiasaina rehefa ilaina, antsoina rehefa hifidy, fa ahataka rehefa hihinana. Tsy mba misy rirany, na tarehiny, na tsanganany, na toetrany izy io, fa avangongo atao tohatra fiakarana fotsiny. Mody ahindrahindra amin’ny karazam-pitenenana maro rehefa ilaina. Anisan’izany ny hoe: “akanga maro tsy vakin’amboa”, “mita be tsy lanin’ny mamba”, “izay be no basy”, sns (…). Ny mikirakira ny fahatsapam-bahoaka no tena ataon’ny mpanao pôlitika, ka ny fomba fikitihany izany, dia ny fitanisana ny alahelom-bahoaka, toy ny hoe : fahatapahan-jiro, fitohanan’ny fiarakodia, sns (…). Ny fitroatran’ny vahoaka vokatr’io alahelony io no tena atahoran’izay eo amin’ny fitondrana, ka hanagiazany ny fisainana”.86 Rafi-pitondrana miorina amin’ny safidim-bahoaka no misy eto Madagasikara. Izany hoe : amin’ny alalan’ny fifidianana ataon’ny vahoaka no ahatongavana eo amin’ny fitondrana. Mazàna anefa, ampiasain’ireo mpitondra ho mpandatsa-bato ho azy ireo fotsiny ny vahoaka, ary ahataka amin’ny fanapahana sy amin’ny fanehoana hevitra. Amin’ny ankapobeny, mizara roa ny ny fomba fampiasan’ny mpitondra ny vahoaka : andaniny, ataon’izy ireo ho toy ny zaza ny vahoaka ; ankilany, ferany ny nofinofiny mba tsy ho lasa lavitra.

II-3-3-1-1- ny “fanjazàna” ny vahoaka Asehon’ny mpanoratra ao amin’ny tononkalony, fa anisan’ny tetika iray entin’ny mpanao pôlitika miakatra eo amin’ny fitondrana ny fanabadoana ny vahoaka. Mety hiseho amin’ny endrika “fanjazàna” ny olom-pirenena izany. Hoy izy ao amin’ny fanavaham-pirenena ( VA, lah : 81, tak : 118 )

86 Resadresaka ny 21-12-2015, op cit 122

“Ianao namotika ny lasako tamin’ny fitiavan-tenanao ianao indrindra ilay nihambo ho mpitarika hikoizana ka nanao ho rehareha ny fanjazàna ny olo-maro ao an-tsahan’ny sagnagna … (…) N’inon’inona jerena isika samy hafa firenena ka tsoriko eto tsotra izao izaho tsy hihavana aminao !” “Zazain”’ny mpitondra ireo vahoaka rehefa tsy mahay mampiasa ny sainy intsony noho ny fanabadoana atao aminy. Mitolo-tena ho lohany sy misora-tena ho Raiamandreny ireo mpanao pôlitika, nefa manararaotra mamotika ny mpiray tanindrazana aminy. Toa satrin’izy ireo aza ny vahoaka ho “sagnagna” mba hahafahany mirehareha. Eto ny “fanjazàna” ny vahoaka ataon’izy ireo dia miseho amin’ny fivoizana ny fampihavanam-pirenena, izay asehon’ny mpanoratra fa tsy mety. Aminy, misy elanelana betsaka eo amin’ny mpanao pôlitika sy ny valalabemandry. Ambarany aza fa “samy hafa firenena” mihitsy izy ireo. Noho izany, tsy tokony ho “zazaina” amin’ny fivoizana ny hoe “heloka ibaboana mody rariny” ny vahoaka. Betsaka loatra mantsy ny tsindry hazo lena mahazo azy ireo, ka tsy tokony ho fafàna sy vitavita ho azy ireny. Hoy ihany ny mpanoratra ao amin’ny fampihavanam- pirenena? ( VA, lah : 85, tak : 122 )

“Miaiky anao aho Ramalagasy kabary no enti-manarona ny fofon-diky hilomanao sarin’ady no kinarinarina handemena ny tadidinao (…) 123

Meteza ho faty izay mety fa ny loza nandindona anao ny ratra tsy zaka hatrizay voafafa natao kilalao (…) Heloka hibaboana hoe mody rariny ?” Endrika iray lehibe isehoan’io “fanjazana” ny vahoaka io koa ny fanaovana fitsapan-kevi-bahoaka. Hoy ny mpanoratra ao amin’ny fiaraha-mionona ( VA, lah : 57, tak : 80 )

“(…) Vondrom-bahoaka tsy notsinjarana fahefana zara fa tolorana baraingo roa lela ka ny eny sy ny tsia izay mba hany fara-fidiny tsy manova ny ambabeny …” Asehon’ny mpanoratra ao amin’ny fiaraha-mionona, fa toa tsy manana hery enti-manohitra intsony ny vahoaka. “Mionona” satria vahoaka sy firenena bado, miantehitra fotsiny amin’ny finoana, fa tsy mba mampiasa ny harena efa nomen’Andriamanitra azy. Tsy mba mandefa ny sainy ho lasa lavitra intsony, hany ka izay zava-miseho dia ambarany fa “izao no sitrapon’Andriamanitra ! ” Ny finoana no atao be dia be mba hamonoana ny feon’ny fieritreretana tsy hisaina ny zava-misy sy ny tokony hatao, hoy i HEMERSON. Tsy mba navela handray an-tanana ny fiainany sy ny hoaviny ihany koa mantsy izy ireo. Ny “fara-fidiny” indrindra hatrany no mba omena azy. Tsy afaka ny hisaina lavitra na mba haneho ny heviny mihoatra izay atolotra izy.

Rehefa bado anefa ny vahoaka dia ambaran’ny mpanoratra, fa mijoro ho manan-kevitra amin’izay ireo “kevoka sy tsy ampy fanahy”, ka miady ho lohany na 124 manamaro isa ny “mpisolelaka” manodidina ny mpitondra. Hoy izy ao amin’ny betsiandraofana ( VA, lah : 52, tak : 73 )

“Antsingimpaladian’olobe hoe e ! Be avy aiza ? Be amin’ny ahoana ? Raha misy ny be nasondrom-panahy Mbola maro ny be nasesi-jezika (…) Besaina tsy misolanga ! Behevitra tsy mahatsangana ! Behambo fa kely dona ! Belazao amin’izao sy izao ! Be vola tsy ampy vina ! Be finoana tsy miandra saina ! Be fitetika an-tany noana ! Bekobay manolan-jaza ! Be amin’ny ahoana e ?” Teo amin’ny rafi-piarahamonina malagasy tranainy, dia ny fokonolona no mametraka ny anjara toeran’ny tsirairay eo amin’ny fiarahamonina, arakaraka ny toetrany sy ny fahendrena ananany. Nisy ireo notoaviny sy nohajainy fatratra ary napetrany ho Raiamandreny. Ireny no ambaran’i HEMERSON fa “be nasondrom- panahy”. Izany hoe ny fanahy tsara ao aminy no amaritana azy ho “olobe”. Ankehitriny kosa, mifanohitra amin’izany ny rafi-pisainana misy eo amin’ny fiarahamonina Ny “be nasesi-jezika” no manjakazaka. Tsy mba miandry hasandratry ny vahoaka intsony mantsy ireo mpitondra, fa misora-tena avy hatrany ho Raiamandreny. Maro ny toetra amaritan’ny mpanoratra ireo mpanao pôlitika, santionany amin’izany ireto : “mpanao ankamehana, mpisoloky, besandry mandatsaka aina, bekibo mamono sofina, besafosafo milako tampoka, be tsy mihary fa mananana, be tsy leo-mboamamy, be tsy misaraka amim-bola”, sns. Ireo rehetra ireo no maneho fa tsy mba mendrika ny ho Raiamandreny akory ireo mpitondra eto Madagasikara ireo. 125

Ambaran’i HEMERSON, fa miaro ny rafitra misy sisa no hany ataon’ireo mpitondra, fa tsy mba misaina ny tombontsoa iombonana intsony. Voailika amin’ny sehatra rehetra ny vahoaka na dia ambara aza fa azy ireo ny fahefana. Ny tena marina, zary fitaovana hanamafisam-pitondrana sisa ny vahoaka. Mangina na ampanginina hatrany izy. Ary vokatr’izany rehetra izany dia zary lasa kolontsain’ny sarambaben’ny olona, “kolontsain’ny samy ory” hoy ny mpanoratra, ny fahanginana. Hoy ny tononkalo : kolo gasy ? ( VA, lah : 77, tak : 113 )

“Fizakana ny tsy eran’ny aina ombana ompa anakam-po hitsakitsak’i sendra miarina sotasotan’ny be tsy misaina ifiaritr’i tsindrio fa lavo

Mieboebo sy seho ho sangany mandefitra i be tsy andraofana very hasina hatrany am-bohoka very saina am-pandehanana (…) Izany eh ka kororosy izany eh ka kolon’ory mifampitsako samy voanosy fa milefitra sendra voangory …” Miaritra sy miforitra ao anatin’ny fahantrany hatrany ny vahoaka. Tsy mba mandray andraikitra izy ireo fa mimenomenona sy mingonongonona fotsiny. Mifambotry sy mifamono an-toerana ny samy Malagasy. Ny vahiny mantsy no atahoran’ny mpitondra. “Mifampitsako samy voanosy, fa milefitra sendra voangory”, hoy ny mpanoratra. Ireo vahoaka kosa no antsoiny hoe : vizana, moana, zaza, adala, sagnagna, bado, sns.

Mbola endrika iray isehoan’ny fanararaotana ny vahoaka mba hiakarana eo amin’ny fitondrana ihany koa ny famerana ny nofinofiny mba tsy ho lasa lavitra. 126

II-3-3-1-2- ny famerana ny nofinofin’ny vahoaka Abaribarin’i HEMERSON ao amin’ny tononkalony ny fanambakana ataon’ny mpanao pôlitika amin’ny vahoaka. Ny famerana ny nofinofiny tsy hihoatra ny sakafo miditra ny vavany no endrika isehoan’izany. Io no ambarany fa faritan’ny mpitondra hatrany satria “lalan-kanina” ho azy ireo. Mety ho amin’ny alalan’ny “kabary ambony vavahady”, izay hampanantenana sakafo ho an’ny vahoaka izany, matetika miseho mandritra ny fampielezan-kevitra. Raha tsorina, toa te hiteny ireo mpitondra hoe : “ho ampy sakafo ianareo, hihinana ianareo fa fidio aho !” Araka izany, fampanantenana tsy mitaky tamberina adidy amin’ny vahoaka no voizin’ireo mpanao pôlitika. Hoy ny mpanoratra ao amin’ny mikoro indray miontana ( VA, lah : 61, tak : 91 )

“(…) Ny maro fanentana toa enta-maivana nofaritana foana fa lalan-kanina fenoina dia gina (…)” Mihevitra ny mpanao pôlitika, fa rehefa toloran-javatra kely, tambantambazana sakafo kely ny vahoaka dia “gina”, izany hoe tsy miteny intsony, tsy miezaka ny hamakafaka intsony fa manao izay asaina ataony. Fanao tsy mety izany amin’ny mpanoratra.

Mbola maneho izany ihany koa ny ampahany ao amin’ny efa leo ve Itena ? (VA, lah : 58, tak : 83 )

“(…) Dia miaritra mangina mivonto tsy miteny ny Adrisa-ampanompoana verezin’olom-bitsy amin’ny ady an-davan’andro ka mifamaky vava 127 amin’ny vary iray vilany natao fototra sy fenitra ho lasa fehi-vozona hampangina ny fisainany (…)” Tsy mba manana nofinofy lasa lavitra intsony ny vahoaka. Mifarana eo amin’ny hoe : rehefa mihinana dia ampy izay, ny fisainany. Rehefa mangina àry ny vahoaka, dia manaram-po mitsentsitra ny harena iombonana ireo mpitondra.

II-3-3-2- fitaovana entina mitsentsitra ny harena iombonana ny vahoaka Ny fanodinkodinam-bola sy ny fanamparam-pahefana dia samy ambaran’ny mpanoratra fa zava-doza ataon’ireo mpanao pôlitika avokoa. Hoy izy ao amin’ny zava sy aloka ( VA, lah : 54, tak : 75 )

“(…) Ianao nampiana tosika tamin’ny ziogan’ny tsy laitra no namatotra ny tongotro tsy handingan-droa mahazaka

Ianao nidokadoka hitondra rà sy angovo vao no namory sy nitsentsitra ilay toko kely mba nananako hampitombo zato heny ilay efa be an-tratranao … Dia harindrinao ny trano ?!!!” Manome toky sy fampanantenana ny vahoaka manohana azy ireo mpanao pôlitika te hiakatra eo amin’ny fitondrana. Rehefa tafapetraka eo anefa izy ireo, dia toa tsy te hahalala ireo mpanohana azy intsony. Odiany tsy tadidy avokoa ireo teny nolazainy, ary dia ny mangoron-karena no maha maika azy. Toa ny vahoaka nampiakatra azy teo amin’ny fitondrana indray aza no zary botriany sy araraotiny ary 128 robainy “namory sy nitsentsitra ilay toko kely mba nananako” hoy ny mpanoratra. Tsy mijanona eo anefa, fa mbola ampiasaina entina mangataka fanampiana any ivelany ihany koa ny vahoaka. Ankoatra izany, asehon’ny mpanoratra fa rehefa tonga eo amin’ny fitondrana ny andian’olom-bitsy dia manakaton-trano. Izany hoe : tsy te hahalala na iza na iza intsony izy ireo, fa ny hampitombo ny harenany ihany no ataony ho vaindohan- draharaha. Ny filohan’ny tetezamita Andry Nirina RAJOELINA87 moa no noraisin’ny mpanoratra ho ohatra tamin’izany. Nolazainy fa ity farany, dia nitokana ny kianjan’Ambohijatovo ary nanao azy ho kianjan’ny demôkrasia fony izy mbola mpanohitra ny fitondrana nisy. Izy mihitsy moa no nitondra ny olona hidina an-dalam- be tamin’izany fotoana izany. Rehefa tafakatra teo amin’ny fitondrana anefa izy, ka vita hatreo ny nilàny ny vahoaka, dia izy indray no nanidy io kianja io, ary araka ny nambaran’ny mpanoratra hatrany. Nohamaroany sy nohateveniny ny lalàna mba tsy hisian’ny fihetseham-bahoaka. Dia toy izany avokoa no ataon’ny olona rehetra rehefa tonga eo amin’ny fitondrana izy. “Harindrinao ny trano”, hoy i HEMERSON. Ambaran’ny mpanoratra, ihany koa fa zary fitaovana ampiasain’ny mpitondra mba hampitombo izay efa ananany ny vahoaka. Hoy ihany izy ao amin’ny teny kely ho an’i Lita : “(…) tsy azonao an-tsaina fa misy angovo tsy miasa ao amin’ny taninao : ny olona zaranao ho bado sy ataonao tohatra fiakarana no lalaovinao hampitombo zato heny ny hery an-tananao ! Adinonao tokoa, fa ny olona no voalohan-karena ary fara-harena ka aoka itsy!!!”88

Milaza ny mpanoratra eto fa satrin’ny mpanao pôlitika aza ny vahoaka ho bado. Amin’izay dia ho azony ambakaina, ataony fitaovana hampitombo ny harenany sy ny fahefany. Dia mampitandrina azy ireo izy hoe : tandremo ny fomba fitondrana ny vahoaka, fa miankina amin’ireo no hanananao fahefana sy harena na tsia. Ny mahatonga ny mpitondra ho eo amin’ny toerany ka nampanan-karena azy dia ny vahoaka. Rehefa tsy ho eo amin’izay toerany izay intsony izy, satria tsy ho eo mandrakizay izy akory, ary ho ritra tsikelikely ireo harena nireharehany, dia tsy hahita

87 Filohan’ny tetezamita ny taona 2009-2014 88 Tambazotran-tserasera facebook, 23-12- 2015 129 hiantsapazana izy fa tsy maintsy hidodododo hiverina any amin’ny vahoaka ihany. Izay no maha voalohan-karena ary fara harena ny vahoaka.

Amin’i HEMERSON, mifandray betsaka amin’ny rafitra iainana ao anaty fiarahamonina ny famolavolana ny maha olona feno ny tsirairay. Tsy mahagaga àry raha toa ka mifamatotra tanteraka amin’ny fikatsahana ny maha olombelona feno, ny firesahan’ny mpanoratra ny tontolon’ny rafi-pitondrana sy ny rafi-piarahamonina.

Mirona betsaka amin’ny fitsikerana sy fanakianana ny rafitra misy sy iainana ankehitriny ny mpanoratra ao amin’ny “fitatao vody hifehezam-bahoaka”. Saika mihodinkodina avokoa amin’ny fisintonana ny olona hisaina momba ny rafi- pitondrana sy ny rafi-piarahamonina misy ankehitriny ny tononkalony. Abaribariny ny fikorontanan’io rafitra iainana io. Mazàna ny tranga tena niseho izay notovoiziny tany amin’ny angom-baovao samihafa, sy tany amin’ny fitaovan-tserasera maro no raketiny an-tsoratra amin’izany. Maka ny toeran’ny mpandalina fiarahamonina izy, ary tsy mionona amin’ny honohono. Maneho ny fanoherany ny rafitra tsy mety ny fiaraha- mionona ?!! ( VA, lah : 57, tak : 80 ) “(…) Moa sandry tsisy saina sa hozatrozam-poana no mampiaritra azy sarisarin-drafitra apetrak’olom-bitsy mivoy fitiavan-tena vatsiam-pitiavankely ? (…)” Eto dia ny vahoaka miaina ao anaty rafitra tsy mifanentana aminy akory no tian’ny mpanoratra hieritreritra ny zava-misy. Toa te hilaza izy fa kanosa sy malemy loatra ny vahoaka, satria manaiky be fahatany izay rehetra mihatra aminy. Mba manana “sandry” ihany, saingy tsy manana saina afaka mandinika, hany ka resin’ny olom-bitsy izay fetsy ratsy sy “tia tena” ary “tia kely”. Ireto farany moa no antsoin’i HEMERSON hoe : sari-olona ( VA, lah : 68, tak : 101 ) “Fa na ny nofiny aza nofy nofolahana 130 voangory fotsy vody ka indreo misarisary, dika sadasada matin’ala-tahaka … Raha atao hoe zaza sary, manompa ny tsy fidiny … nefa sarin-jaza, sarisarin-javatra, miebo ho mpitarika mpitoraka bilao manao izay tiany atao … Satria nangina ianao !!!” Amin’i HEMERSON, ny tena olombelona dia manana tsangan-kevitra mazava ijoroany. Tsy mahagaga àry raha antsoiny hoe : “sari-olona” ireo mpitondra satria tsy mba mijoro amin’ny tsangan-keviny, fa “matin’ala-tahaka” ny an’ny hafa fotsiny. Tsy mba mametraka nofinofy hanatsaràna ny fireneny akory mantsy izy ireo, fa manaiky ny teritery ataon’ireo vazaha izay manjanaka ny fisainany. Asongadin’ny mpanoratra ihany koa ny tsy mahamety ny rafitra misy eto Madagasikara, indrindra ireo lalàna tsy mifanaraka akory amin’ny rafi-pisainana malagasy, izay apetrak’ireo olom-bitsy “miebo ho mpitarika” ireo. Lazainy fa satria mangina hatrany ny vahoaka malagasy, dia afaka “manao izay tiany atao” ireo andian’olona ireo. Koa zava-dehibe aminy ny fananganana rafitra vaovao mifanaraka amin’ny rafi-pisainana sy ny kolontsaina malagasy. Hoy izy ao amin’ny nofiko hono leitsy … (VA, lah : 59, tak : 86 )

“(…) Nofiko mihitsy ianao ry fireneko mifoha indray maraina manisy sira vaingany ny tsiny sy ny tody 131 fanidy fahizay. (…)” Eto dia mandrary nofinofy ao an-tsainy ny mpanoratra, ary mamolavola paika hoenti-manangana ny ho avy. Aminy, ny fiverenana amin’ireo soa toavina malagasy fahizay no vahaolana enti-manatsara ny ho avy : “fanidy fahizay” ireny, hoy izy. Tsy hiandrasana andian’olom-bitsy intsony izany, fa miainga amin’ny isam-batan’olona mihitsy. Araka izany, anisan’ny tanjona tratrarin’i HEMERSON ato amin’ny “fitatao vody hifehezam-bahoaka” ny fandrariana nofinofy mipàka amin’ny fiainan’ny olombelona.

132

FEHIN’NY FIZARANA FAHAROA Nasongadina tato amin’ity fizarana lehibe faharoa ity ny hevitra ankapobeny voizin’i HEMERSON ao amin’ny tononkalony. Tsapa fa nandalo dingana telo izy teo amin’ny tontolon’ny asa fanoratana. Nozaraina telo araka izany ny fandalinana natao . Novahavahana tao amin’ny toko voalohany ny tontolon’ny mpanoratra teo anelanelan’ny taona 1970-1977, izay nantsoina hoe : “vanim-potoana andrana sy indrana” teo aminy, teo amin’ny sehatry ny asa fanoratana. Nojerena tao ireo tontolo maromaro heverina fa namatsy ny aingam-panahin’ny mpanoratra ; navoitra ireo tara- kevitra nironany ; nasongadina ihany koa ireo toe-javatra nambarany fa nanamarika azy teo amin’ny tontolon’ny kanto. Izany rehetra izany moa, dia niainga hatrany tamin’ny resadresaka nifanaovana tamin’ny mpanoratra, satria tsy teo am-pelatanana ny vainga tokony ho niasana.

Nodinihana tao amin’ny toko faharoa, ireo tononkalo nanomboka ny taona 1978- … . Nantsoina hoe : “vanim-potoanan’ny firafetan-tsaina tanteraka” teo amin’ny mpanoratra izany. Ny tena nasongadina tao dia ny firesahan’ny mpanoratra momba ny tontolom-pitiavana. Navoitra araka izany, andaniny, ny endriky ny fitiavana resahin’ny mpanoratra ao amin’ny tononkalony ; ankilany kosa ,noresahina manokana ny “aza kafaraina”, izay hita fa mibahan-toerana kokoa ao amin’ireo tononkalo mihira ny fitiavana ireo.

Tao amin’ny toko fahatelo no nandalinana ireo tononkalo nanomboka ny taona 2000- … , izay tsapa fa nironan’i HEMERSON tamin’ny kanto miantsoroka89, nataony hoe : “fitatao vody hifehezam-bahoaka”. Ny fahitan’ny mpanoratra ny momba ny tontolon’ny pôlitika no tena nisongadina tamin’izany. Lafin-kevitra telo no noresahina: ny fitiavan-tenan’ireo olom-bitsy mahazo fitondrana, ny fitaomana ny olona mba hanome hasina ny saina, ary ny famaritana ny antsoina hoe : vahoaka. Hohalalinina betsaka ao amin’ny fizarana fahatelo ny momba ny fanantenana ny hisian’ny fampivoarana ny maha olona asehon’ny mpanoratra ao amin’ny tononkalony.

89 Art engagé 133

FIZARANA FAHATELO : NY TONONKALON’I HEMERSON ANDRIANETRAZAFY MANEHO FANANTENANA NY HISIAN’NY FAMPIVOARANA NY MAHA OLONA

134

Voan-kevitra midadasika ary tsy hita hofaritana ny hoe : « maha olona ». Toa maneho vinavina hananganana soa toavina iraisana eo amin’ny fiarahamonina izy io. Amin’ny ankapobeny, ny fitambaran’ny vatana, ny saina ary ny fanahy no mamaritra ny atao hoe : olombelona. Anjaran’ny tsirairay kosa no mandrafitra ny fitondran- tenany mba hifanaraka amin’ny antsoina hoe : olombelona manam-panahy.

Amin’i HEMERSON, ny maha olona dia “fikarohana anaty atao amin’ny tena, entina mamaritra sy manazary filamatra mikasika ny riran’olombelona tiana hajoro”90. Aminy, anjaran’ny tsirairay no mamaritra izay heveriny fa mendrika amin’ny maha olona azy. Ny taona 1980 tokoa mantsy, dia nisy tononkalo nosoratany hoe : “il ne suffit pas de naître pour exister ». Manambara avy hatrany ny tsangan- kevitra ijoroan’ny mpanoratra io lohateny io. Aminy, tsy ny fahaterahana no mamaritra ny antom-pisian’ny olona iray. Izay nametraka haren-tsaina tamin’ny fotoam- pahavelomany, mba holovain’ny taranaka, no tena olombelona. Anjaran’ny tsirairay izany ny manisy dikany ny fisiany. Fisiana miohatra amin’ny tena, ary koa fisiana miohatra amin’ny hafa.

Efa nirona hatrany tamin’ny fitadiavana ny maha olona ny tononkalon’i HEMERSON hatrany amin’ny vanim-potoanan’ny firafetan-tsaina tanteraka teo aminy (1978). Mandalo dingana telo lehibe ny fikatsahany ny maha olona:

- ny fanamafisana ny “maha singa” miavaka ny isam-batan’olona ; - ny fampivelarana ny maha olona feno sy manontolo ny tsirairay dia mitondra harena ho an’ny maro ; - ny nofinofim-pananganana rafi-piarahamonina vaovao iombonan’ny Malagasy.

90 Resadresaka ny 05-03-2016, 09ora, tao an-tranon’ny mpanoratra 135

TOKO VOALOHANY : NY FANAMAFISANA NY “MAHA SINGA” MIAVAKA NY ISAM-BATAN’OLONA Anisan’ny fomba iray lehibe hizoran’ny mpanoratra any amin’ny fikatsahana sy fitadiavana ny maha olona ny fanamafisana ny “maha singa” miavaka ny isam- batan’olona. Fomba fitenin’ny Malagasy ny hoe : “ny fitambarana no hery !”. Izany hoe ny fiarahana mivondrona manatanteraka asa iray no ahavitan-javatra. Toa tsy dia miombon-kevitra amin’izany rafi-pisainana izany loatra i HEMERSON. Aminy, zava- dehibe ny fijoroana amin’ny maha izy azy ny tena, manana foto-kevitra mazava, ary tsy manara-davahana amin’ny fahazarana efa misy, fa miezaka mamakafaka ary mametraka fanontaniana amin’ny tena manoloana ny fomba fanaon’ny sarambabem- bahoaka. Hoy izy : “ny milasitra amin’ny fomba fahazarana apetraky ny hafa no sakana lehibe indrindra tsy ahatongavana amin’ny maha izy azy ny olona iray”91. Araka izany, zava-dehibe amin’ny mpanoratra ny fikatsahana ny fahaleovan-tenan’ny olombelona tsirairay eo amin’ny fiainany.

Andininy telo no hovahavahana :

- ny ankapobeny momba ny famaritan’ny mpanoratra ny atao hoe : olombelona ; - ny tontolom-panahy ao amin’ny olombelona ; - ny fikatsahana ny “maha singa” ao amin’ny tononkalo.

III-1-1- ny famaritan’ny mpanoratra ny atao hoe : olombelona Mifamatotra tanteraka amin’ny olombelona ny firesahana momba ny maha olona. Ny olombelona moa dia “zava-manana aina azo atoko ara-toe-batana ho anisan’ny biby mampinono, nefa kosa miavaka amin’ny biby noho ny fananany atidoha lehibe, ny fahazoany mijoro, ny fahafahan’ny tanany mandray zavatra, ary indrindra ny fahaizany miteny sy ny fananany saina amam-panahy”92. Ankoatra ny fahasamihafana ara-batana, eo amin’ny olombelona sy ny biby voalaza eto, dia mazava ihany koa ny fiavahany noho ny fananany saina sy fanahy.

91 Resadresaka ny 05-03-2016, op cit 92 RAOLISON (R.R.), Rakibolana malagasy, tak : 778 136

Amin’i HEMERSON dia tena zava-dehibe ireo toe-javatra roa iavahan’ny olombelona sy ny biby ireo, dia ny saina sy ny fanahy. Aminy, ny olombelona dia fisiana mipetraka eo anelanelan’ny biby sy ny Zanahary. Hoy ny tononkalo ( VA, lah: 158, tak : 213 )

“Latsaka eo anelanelan’ny Biby sy Zanahary ny olombelona vitsy ny maniry hisonga fa be no tia handady toy ny kankana tsy fidiny ho an’ny biby ny maha biby azy fa safidin’olombelona ny mivoy habibiana (…)” Amin’ny mpanoratra, manana fahefana sy fahafahana handranitra sy hampiasa ny sainy hanasoavana ny tenany ny olombelona tsirairay. Tsy ilaina ny fanagiazana na ny fitondrana azy ho toy ny biby, izay tsy manan-tsaina sy fanahy. Raha mampiasa araka ny tokony ho izy ny sainy mantsy ny olombelona, dia “hisonga” izy, izany hoe handroso fatratra, ary mety ho tonga any amin’ny toeran’ny Zanahary mihitsy aza. Raha ny mifanohitra amin’izany kosa no miseho, dia hivarina ho anisan’ny biby izy ka “handady toy ny kankana”. Misafidy amin’ireo lafin-toetra roa ireo ny olombelona mba hitondrany ny fiainany. Ambaran’ny mpanoratra, fa ny ankamaroan’ny olombelona dia misafidy ny “mivoy habibiana”. Miseho amin’ny endriny maro izany toe-javatra izany. Hoy ny tohin’ny tononkalo :

“Raha misy manohintohina ny fahatonianao ka mamboly fahasorenana tsy roa aman-tany ranito ny famaky handrasana ny lohany fa izay angamba no hampianatra azy hisaina” Anisan’ny toetra fototra tokony hananan’ny olombelona ny fahaizana manaja ny hafa. Tsy tafapetraka anefa izany mazàna, ary saika mifanelingelina eo amin’izay ataony hatrany ny olombelona vokatry ny tsy fitoviana misy, hany ka izay heverin’ny sasany ho mety, toa tsy dia sitraky ny hafa. Misy tokoa mantsy ireo izay tsy manisy fisainana loatra ka “mifanahim-biby”, ary mahavita “manohintohina” ny fiainan’ny hafa. Hoy ny biby nandalo ( VA, lah : 67, tak :99 )

“(…) Fa biby no nandalo 137 biby toa anao biby misy amiko minia manadino fa tokana ny aina ka mbola lafo vidy noho izay tetika marivo vatsiana tsy fisainana (…)” Ny fanosihosena ny “ain”’ olombelona dia mampifoha sy mampiseho ny habibiana ao aminy. Tsy afaka tanteraka ao amin’ny olombelona tokoa io ampahan- toetra maha biby azy io, ary misongadina mihitsy aza amin’ny fotoana tsy ampoizina, toy ny fanaovana fihetsika tsy voasaina tsara. “Lahy tokana ny aina”, “ny aina tsy hananam-piry”, sns, hoy ny Malagasy. Izany rehetra izany dia maneho ny hasarobidin’ny aina ao amin’ny olombelona. Tsy vitan’izany fa manan-kasina ihany koa ny aina “tokana ny aina, ka mbola lafo vidy”, hoy ny mpanoratra.

Vahoaka sy firenena fatra-pandala ny “aina” tokoa ny Malagasy. Tsy mba tahaka ny olona any amin’ny firenen-kafa izay tsy misalasala mamono tena rehefa tojo olana eo amin’ny fiainana. “Ny aina tsy afaky ny tompony”, hoy izy ireo. Ambaran’ny mpanoratra anefa fa mihavery io soa toavina maha Malagasy io noho ny hetraketraka ataon’ny andian’olona mpivoy habibiana. Toa tsy mitandro ny ain’ny hafa intsony ireo olona mpisetrasetra ireo, fa ny fireharehany no tena misongadina. Toetra tena tsy azo ekena amin’ny maha olombelona manan-tsaina sy manam-panahy izany, amin’i HEMERSON. Aminy, ny tena olombelona dia miezaka ny hanatratra ny toetra filamatra ananan’ilay mpamorona azy dia ny Zanahary izany. Hoy ihany izy ao amin’ny tsy haiko ( VA, lah : 138, tak : 193 )

“Hay va re ka misimisy ny fisiana mbola tsy haiko ! (…) Tery loatra ny atidohako ka mandreraka ny aiko !!! mbola tsy Andriamanitra aho !!!” 138

Hovahavahana bebe kokoa àry ny mahakasika ny fiheveran’ny mpanoratra momba ny tontolom-panahy ao amin’ny olombelona.

III-1-2- ny tontolom-panahy mandrafitra ny olombelona Ny olona mahay manisy dikany ny fisiany, ka manome hasina ny fanahy ao aminy no tena olombelona. Ny teny hoe : fanahy tokoa mantsy dia mahafehy ny maha olona ny olona manontolo mihitsy. Izany hoe fitambaran’ny tontolo anaty rehetra ao amin’ny olombelona.

Andininy roa no hovahavahana :

- ny famaritana ny atao hoe : fanahy ; - ny anjara asan’ny fanahy ao amin’ny olombelona.

III-1-2-1- ny famaritana ny fanahy Maromaro ny lafin-kevitra entin’ny mpandinika mamaritra ny atao hoe : fanahy. RAOLISON dia manambara fa “ny fanahy dia fomba entina manahy. Zavatra ao amin’ny olombelona entiny manahy ny amin’ny tenany, mampahatsiaro tena azy “very fanahy mbola velona toy ny valala voatango”. Zavatra mampiavaka ny olona amin’ny biby : “ny fanahy no olona”/saina mieritreritra, fahendrena “ny manam- panahy mody voky, fa ny adala manesika ihany”. Ilay zavatra tsy mety maty, fitambaran’ny saina sy ny sitra-po ao amin’ny olombelona izay misaraka amin’ny vatana rehefa maty ny olona mba ho any amin’ny fiainana any an-koatra. Manana hevitra hoe : toetra ihany koa ny fanahy : “manao fanahin-jaza””93.

Tsy dia mifanalavitra na mifanohitra amin’izany koa ny fiheveran’i HEMERSON ny fanahy. Aminy, anjaran’ny tsirairay ny mamaritra sy mameno ny fanahy ao aminy. Manana anjara asa lehibe amin’izany famatsiana ny fanahy izany ny saina, izay mandinika ny tena sy ny tontolo manodidina. Mandrefy ihany koa ny fenitra mety hahafaritra ilay fahatsapana maha olombelona ny tena. Fahatsapana avy ao anatin’ny tena, ary indrindra tsy mifandray mihitsy amin’ny finoana, ny fanahy. Hoy ny ampahany ao amin’ny etsy kely ange e ! ( VA, lah : 119, tak : 172 )

“(…)

93 RAOLISON (R.R.), Rakibolana malagasy, op cit 139

Akimpio ny maso henoy ilay antsoantso mandrefy ity tontolo mankadiry, midadasika mitoetra sy mandafika ao am-parahatokao …

Henoy fa misy antsa, ontsaontsa indraindray ravoravo koa mazàna tia hitafa sy hifandray … fa misy hono hoe filàna tsy fehezin’ny tsinay mihoatra izao tontolo izao … mandilatra ny kibonao

Ny anarany ? Fanahy !!! ka raha ianao no tsy hiahy hisikim-ponitra hanazary dia ny hafa no handravona hanipy anao anaty zavona hamolavola voka-dasitra sary vatana mihetsika ka izay heverinao ho ianao izay faritanao ho anao zary mohara babangoana foana ! foana ! foanafoana !!! (ho foana hatramin’ny paosinao ! ) dia eo ianao no raisina !” Anterin’ny mpanoratra eto ny fiheverany ny amin’ny fanahy ao amin’ny olombelona. Tsy inona izany fa ny feon’ny fieritreretana, izay mibitsika sy mitady 140 fifandraisana amin’ny tena. Mampieritreritra ny olona izy, ary mitaona azy ireo mba hahay hitafa sy hihaino ny feon’ny fieritreretany. Tsy mba voafehin’ny filàna fototra eo amin’ny vatana mantsy ny fanahy ao amin’ny olombelona. “Tsy voafehin’ny tsinay” hoy ny tononkalo, ary indrindra “mihoatra ny izao tontolo izao”, izany hoe : toe-javatra tsy mba mety hitan’ny maso, tsy azo tsapaina, fa mitoetra ao anaty, “milafika ao am-parahatoky” ny tsirairay hoy ny mpanoratra. Tsy hita pesimpesenina ny toe-javatra mety ho takatry ny fanahy misandratra ao amin’ny olombelona. Ahafahana mandroso sy manatanteraka zava-mahagaga mihoatra amin’ny zavatra azo tsapain-tanana eo amin’ny fiainana ny fahaizana manajary ny fanahy ao amin’ny tena. Mitaky fotoana milamina ihany koa ny firesahana aminy. Ny tontolom-panahy resahan’ny mpanoratra eto, dia maneho ny famolavolany olona mitondra vinavina hampisonga ny atao hoe : olombelona. Lazainy fa rehefa tsy manisy fisainana mikasika ny amin’ny tenany sy ny maha izy azy ny olona iray, dia tsy mba manana hoavy mamiratra, ary mizotra mankany amin’ny fanadinoana sy ny tontolo “foana” ary “babangoana”.

Ankoatra izany, raha tsy mikolokolo io fanahy ao aminy io ny tsirairay, dia ho araraotin’ny hafa izy. “Ny hafa no handravona, hanipy anao anaty zavona”, hoy ny tononkalo. Tsy mety ny manara-davahana amin’ny maro, fa mila mampiasa ny saina hoentina mitondra ny tena. Noho izany, fitaovana iray lehibe entina mamatsy ny fanahy, ny saina, amin’ny mpanoratra. Tsy tokony ho ny hafa no mikolokolo sy manajary ny fanahy ao aminao. Tsy asiana fitangoronana sy fitambarana koa rehefa miresaka momba ny tontolom-panahy. Hoy ihany ny mpanoratra ny finoako ? fahafahana !!! (VA, lah : 118, tak : 171 )

“(…) Ny maha olona zahao ny maha olona no iraisana fa lalan-tokana isan’isany ny tanjozotran’ny fanahy !” “Ny saina – ny vatana – ny fanahy”, ireo no ambara ombieny ombieny fa mamaritra ny atao hoe : olombelona. Tsy dia miombon-kevitra amin’izany loatra i HEMERSON. Aminy, ny maha olona dia tontolo hafa katsahin’ny daholobe. Tsy mba 141 tafiditra ao ny fanahy, satria io dia tontolom-pahafahana ho an’ny tsirairay. Ny maha olona aminy no tokony “hiraisana” sy hiombonana, fa tsy ny finoana. Na dia eo tokoa aza mantsy ilay fitenin’ny Malagasy hoe : “ny fanahy no olona”, dia tsy azo lavina, fa hitsaran’ny manodidina ny tena ihany koa ny endrika ivelany. Noho izany, ny tononkalon’i HEMERSON, dia mandrary fisainana vaovao tiana hapetraka hoenti- manatsara io famaritana ny maha olona ny olona io. Hoy izy ao amin’ny tsinjo dia III ( VA, lah : 144, tak : 199 )

“(…) Aza avela ho an’ny hafa ny famaritana izay tokony heverinao ho masina raha tsy tia hirenireny eny an-tsahan’ny foana ianao” Rehefa voatrandraka tsara ny fanahy ao anatin’ny tena, dia mitondra akony eo amin’ny vatana sy ny fihetseham-po manontolo mihitsy. Miankina amin’ny eritreritra avokoa, araka an’i HEMERSON, ny fiainana rehetra. Hoy ihany izy : (VA, lah : 148 )

“Hitsikio ny andro dia hitsiky aminao izy, mamafaza fitia dia ho heni-pitiavana ianao, voleo ny fifaliana hijinjana fahasambarana ! fa ny maha-tretrika tsy avy any an-danitra fa vokatry ny fonao irery ihany !” Ny fanahy no mamatsy sy mibaiko ny fiainan’ny olona. Io fanahy io anefa dia midika ho ny feon’ny fieritreretana, ary io feon’ny fieritreretana io no ambaran’ny mpanoratra eto fa mitondra ny fihetseham-pon’ny olombelona manontolo. Raha izany, azo heverina fa endrika iray isehoan’ny Andriamanitra inoan’i HEMERSON ny feon’ny fieritreretany, ary dia io no mitondra ny fiainany.

Andeha hidirana lalindalina kokoa ny anjara asan’io fanahy io ao amin’ny olombelona.

III-1-2-2- ny anjara asan’ny fanahy ao amin’ny olombelona Amin’ny ankapobeny, azo aravona ho manana anjara asa roa lehibe eo amin’ny fiainan’ny olombelona, ny fanahy : 142

- manoritra ny safidy ; - mametraka ny fomba fijery eo amin’ny fiainana.

III-1-2-2-1- entina manoritra ny safidy, ny fanahy Voalaza tetsy aloha, fa ny fitambaran’ny maha olona ny olona rehetra : ny fahatsapana, ny toetra, ny fisainana, sns no atao hoe : fanahy. Ny fananan’ny olombelona io fanahy io no mahatonga azy hanana safidy eo amin’ny fiainana. Hoy ny mpanoratra : “ny olombelona manana safidy matotra no afaka mandroso. Ireo izay iharan’ny safidin’ny hafa kosa, dia toy ny sary olona”94. Misy tokoa mantsy ny toetra iraisana ao amin’ny olombelona, toy ny hoe : mety faly, na tezitra, na malahelo, sns. Endrika isehoan’ny fanahy ao aminy avokoa ireny, ary misafidy amin’ireny ny tsirairay. Eto dia ny saina no fitaovana entiny manabe voho ny fanahy. Amin’i HEMERSON, raha tsy omena hasina ny safidy, dia ho tafajanona eo amin’ny maha biby azy ny olona, izany hoe ho afa-po rehefa mahita ny filàna fototra eo amin’ny an- davanandrom-piainana, toy ny sakafo, ny zanaka, sns. Maneho endrika fikatsahana ny maha olona manam-panahy ny fametrahana ny safidy voasaina tsara eo amin’ny fiainana. Hoy izy ao amin’ny samatsama-panahy ( VA, lah : 111, tak : 159 )

“Moa mba renao ve ilay fanahy mihiaka voageja anatinao ? (…) Mety ho maika ianao nefa mijanona ihany … dia henoy ny siokany.

Mety ho hitanao eo an-jorom-bala tsy lavitra ny maso fa an-tendan’orona …

94 Resadresaka ny 03-12-2015, op cit 143 ilay zavozavon’endrika manefy ny alokao.” Lasa “anjorom-bala” ny fikatsahana ny maha olombelona manam-panahy, rehefa tsy mametraka ny safidiny intsony ny olombelona eo amin’ny fiainany. Ambaran’ny mpanoratra eto fa mitady fahafahana ny fanahy ao anatin’ny olona rehefa “voagejan” ’ny hafa izy. Manjohy ny olona hatrany tokoa mantsy ny feon’ny fieritreretany any amin’ny lalan-kalehany. Noho ny fisian’ireo rafitra mangeja ny olombelona tsy hampiasa ny sainy anefa, dia zary hadino ny fisian’izy io. Saron’ny fampianarana sy ny toriteny isan-karazany mantsy io fahafahana misafidy io matetika. Hoy ny mpanoratra ao amin’ny tany mena, tany maina ? ( VA, lah : 50, tak : 71 )

“(…) Ry tany tototra tomany nohamavoin’ny tato afara moa leon’ny toriteny tafasaraka amin’ny saina sa … leon’ny gidragidra toa tsy manam-pitsaharana ka miandrandra sento kely hialana hasasarana ? (…)” Asehon’ny mpanoratra eto ny tsy maha-mety ny fivoizana ny toriteny isan- karazany ataon’ireo mpivavaka. Ambarany fa “tafasaraka amin’ny saina” izy ireny, izany hoe : tsy mba nohalalinina sy nodinihan’ny saina, fa dia inoana fotsiny tsotra izao, satria heverina fa mifaningotra amin’ny zotram-piainan’ny olombelona. Tsy dia mety loatra izany amin’i HEMERSON. Rehefa tsy manana saina afaka mamakafaka sy misafidy izay inoany intsony ny olona, dia “lovaina” sy milafika tsy hay foanana intsony ao aminy ny finoana. Hoy ihany ny mpanoratra ao amin’ny lova ny taom- pahagola ( VA, lah : 96, tak : 137 )

“Mieloelo sy mandondona toa vesatr’entan’ny tantara nampitetezin-tetiarana 144 ny vesatr’entin’ny taloha toy ny tany tsy isainana ny tebiteby tsy hay ambara terak’horohoro omaly mbola re ankehitriny

Tonga lova mankadiry mandrapaka ny nofin-janaka ilay vongan’ozona mafonja nentina namariparitra ireo tontolo tsy voafehy … very anjavony fahiny dia novolena anatinao dia nasandratra ho anao ho tahiry ho tadidy angatra sy demonia

Novolaina ho endrikendrika narafitra tsy ho banjinina alo-java-manan-tandroka najoro mba ho terak’hovitra ny topy maso indray miserana sendra mahadingana azy

Ireny izany tamin’izany lalan-tsaina hafahafa andravonana habadoana ireny izao 145 hatramin’izao toa kanonta be midaroka antsy lava harangaranga hanimbana sy handrodanana ny hasina natsanganao” Noho ny firoboroboan’ny fivavahana kristiana, dia mihavery ny kolontsaina malagasy. Tsy misy intsony ny fisainana sy ny fandalinana ny finoan’ny Razana, ny fiheverana ny atao hoe : masina. Asesika ao an-dohan’ny olona, manomboka hatrany amin’ny fahazazany, ny fiheveran’ny kristiana momba ny tontolo tsy hita, toy ny hoe: “demony”, sns. Tsy mampiasa ny sainy momba izay ampianarina azy tokoa mantsy ny zaza, ka dia mora ny mampiditra ao an-tsainy ny karazan-javatra isan-karazany “mandrapaka ny nofin-janaka” hoy ny mpanoratra, izany hoe : tsy mety miala ao an’eritreriny mihitsy. Nandray izany fampianarana izany koa i HEMERSON tamin’ny fotoam-pahazazany. Teo ohatra ilay sarina demony be nasehon’ilay pretra azy ireo tao an-dakilasy fony izy kilasy fahafolo (10 ème) tany Soavinandriana. Nambarany fa tena nampatahotra azy tokoa io sary io, ary tsy mba nety afaka tao an-tsainy mihitsy, lazainy fa “mieloelo sy mandondona” azy hatrany 95. Ireny toe-javatra ireny no soritsoritiny eto. Lazainy ny endrik’ilay sary milafika ao an-tsainy: “alo-java-manan-tandroka”, hoy izy. Izy ireny no entina mampatahotra ny olona “najoro mba ho terak’hovitra”. Ireny koa no ambaran’ny mpanoratra fa “lalan-tsaina hafahafa andravonana habadoana”. Izany hoe : rehefa tsy afaka manazava ny toe-javatra tsy hita hoporofoina ny saina, dia ampidirina ny fivavahana, izay rafitra tsy natao hiadian-kevitra. Tsy ny fivavahana kristiana ihany akory no manao izany fihetsika izany, fa saika ny karazam- pinoana rehetra mihitsy.

Ankoatra izany, manimba sy mamono ny hasina maha olombelona mihitsy ny zavatra toy ireny. Sarotra vonoina koa satria efa miorim-paka tanteraka ao am-pon’ny olona mino azy. Voageja ao anatin’izany ny fisainany sy ny fieritreretany manontolo. Lazain’ny mpanoratra eto fa toy ny “kanonta be midaroka sy antsy lava harangaranga” mihitsy aza.

95 Efa voaresaka tany amin’ny tsiahim-pahazazan’ny mpanoratra (1-2-2-1) 146

Amin’i HEMERSON, àry dia zava-dehibe ny fananan’ny fanahy safidy, fa tsy terena hino sy hanaraka ny toe-javatra efa misy fotsiny izy. Mbola anjara asan’ny fanahy ao amin’ny olombelona ihany koa ny mametraka ny fomba fijery eo amin’ny fiainana.

III-1-2-2-2- entina mametraka ny fomba fijery ny fiainana, ny fanahy Rehefa afaka mametraka ny safidiny ny tsirairay, dia manana ny heviny manoloana ny trangan-javatra miseho. Afaka mametraka fanontaniana amin’ny tenany mantsy izy, ary mandinika sy mamakafaka ihany koa. Misaina izay heveriny ho masina aminy. Mbola io fanahy ao amin’ny olona io ihany no ahafahany manao izany. Hoy ny tononkalo tsangan’olona ( VA, lah : 143, tak : 198 )

“Maro loatra raha zohiana ny ravi-maina atopan-drivotra tsy hary faka hifaharana na sombin-danitra hitodiana mijoro ihany fa tsanganana tsatok’aty tery vozona (…) Midradradradra be lazao tsy mitsahatra manosoka banga lalina mihitsoka mandifotra azy manontolo hatrany am-paran-danilany (…) Tsangan’olona tsy namana mirenty loko toy ny poizina.” Tsy mba manana ny maha izy azy ny olona tsy mametraka ny fomba fijeriny ny fiainana. Ireny olona ireny matetika, dia ireo izay tsy misikim-ponitra manajary ny fanahy ao aminy, ary manaiky sy manaraka am-bokony izay itondran’ny olona azy. “Tsy hary faka ifaharana, na sombin-danitra hitodiana”, izy ireny, hoy ny mpanoratra. Izany hoe : tsy mba nametraka tanjona teo amin’ny fiainany, ary tsy mba 147 mahafantatra ny antom-pisiany akory aza. Antsoin’ny mpanoratra hoe : “tsangan’olona” ny karazan’olona toy izany. Toa tsy mba misy ilàna azy ireny akory. Mazàna anefa dia marobe ny olombelona voasintona amin’ny tsangan-kevitra tsy mifanaraka amin’ny maha olona, izay mangeja ny fivelaran-tsaina sy ny fanahy. “Mandrapak’alinalina” hoy ny tononkalo. Ireny olona ireny no miseho ho “be lazao” mba hitaomana ny sasany hanaraka azy. Lazain’i HEMERSON, fa “tsangan’olona tsy namana, mirenty loko toy ny poizina” izy ireny. Toa tsara resaka sy tsara jerena, kanefa dia mamono mahafaty.

Araka izany, zava-dehibe ny fahaizana mitrandraka sy mampiasa ny fanahy ao amin’ny olombelona. Izy io no entina mamaritra ny safidy sy mametraka ny fomba fijery eo amin’ny fiainana. Rehefa tsy ampiasaina io, dia ny hafa no misalovana sy mametraka ny maha olona ny tena, ka tsy mahagaga raha zary lasa “tsangan’olona, mijoro fotsiny” sisa ny olona tsy mba manana tsangan-kevitra mampiavaka azy amin’ny maro.

Tsy ilaina, ny fitangoronana amina lasitra iray, fa mila mampiseho izay mampisongadina ny tenany ny olombelona tsirairay, mba hampisy dikany ny fisiany. ‘Ndeha àry hojerena ny fironan’ny tononkalon’i HEMERSON amin’ny fikatsahana ny “maha-singa” miavaka ny isam-batan’olona.

III-1-3- ny fikatsahana ny “maha singa” ao amin’ny tononkalo Anisan’ny tanjona apetrak’i HEMERSON ao amin’ny tononkalony ny fikatsahana ny “maha singa” miavaka ny isam-batan’olona. Tsy sanatria fampirisihana ny olona ho tia tena akory izany, fa kosa “singa” tsy mandà ny iraisana amin’ny maro.

Andininy roa no horesahina :

- ny famaritan’ny mpanoratra ny hoe “maha singa” ; - ny endrika isehoan’ny fikatsahana ny “maha singa” ao amin’ny tononkalo.

III-1-3-1- ny famaritana ny “maha singa” Ny hoe “maha singa”, dia voambolana entin’ny mpanoratra maneho ny hevitra hoe : zava-dehibe ny fitrandrahana ny maha izy azy ny isam-batan’olona. “Singa” midika hoe tokana, ary mandeha irery. Aminy, tsy mitondra fandrosoana sy fivoarana ny fitangorongoronana amina fikambanana. Tsy hahitana ny maha izy ny tena izany, 148 ary koa, mamefy ny olombelona ao anaty rafitra izay mety hangeja azy ka tsy ahafahany mivelatra. Nambaran’ny mpanoratra fa efa hatramin’ny fahazazany izy no niezaka niala tamin’ny rafitra mangeja ny fivelaran-tsaina Hoy izy : “toy ny nandavako ny teny midina entin’ny karazam-pivavahana rehetra no nandavako izay zava-drehetra tsy mamela ny olombelona hanana sahan’eritreritra (…). Amiko, tompona andraikitra amin’ny fiheverany ny olombelona, fa tsy biby izy ka holasirina, sy terena hanaraka baiko.” Toa tsy mahahaga àry raha nolazain’ny mpanoratra fa saika voasazy foana, hono izy, nandritra ny asa fanompoam-pirenena nataony. Noho izany, niezaka nitokantokana hatrany izy, ary niolonolona tao an-trano mihitsy aza. Ny boky no tena namany tamin’izany. Ny fitadiavana ny fomba rehetra hiavahany tamin’ny maro no tena nataony antom-pisiana. Tsy tamin’ny foto-pisainana ihany, fa na ny endrika ivelany koa aza. Eo ohatra ny fanalavany ny volony, fanaovany fitafiana miavaka tsy toy ny an’ny sarambaben’ny olona, sns. Ireny rehetra ireny dia samy maneho ny maha izy azy ny mpanoratra avokoa.

Hoy izy ao amin’ny mahasinga isangiana ( VA, lah : 104, tak : 147 )

“(…) Mahasinga zanadalina nokinaroky ny haizina notinady ankibon-javà ny maha izy nozahana nozohiana mba ho singa hifanavaka amin’ny maro

Ny Mahasinga hisongana raha rariana tsy ho fefika lasa angovo enti-miatrana hampitrena tsy hilofika ankebakeban’ali-mena

Ny Mahasinga isingana no lalan-tokan-tsy-voafaritra 149 handrefy dia ny olo-miaina teraka nikiaka irery maty tsy nifamotoana Ho singan’olona alin-kisa.” Asehon’i HEMERSON eto, fa dingana voalohany tsy maintsy lalovana, mba hahatongavana any amin’ny andrana fampijoroana ny maha olona, ny fanatsarana ny maha izy azy ny isam-batan’olona. Miantso sy mandrisika ny olombelona tsirairay hitady ny lafatra ao amin’ny tenany ny mpanoratra. Hameno ny maha olombelona azy amin’ny alalan’ny fianarana sy fanabeazana, ary ny fizarana ny traikefa ananana. Anisan’ny hevitra fototra ijoroan’ny mpanoratra ny hahavitan’ny Malagasy tsirairay mizàka tena, na eo amin’ny lafiny ara-batana, na ara-pihariana, na ara-panahy. Rehefa feno ireo fepetra ireo, dia azo atao ny miroso mankany amin’ny famolavolana rafi- piarahamonina vaovao. Mora kokoa mantsy ny mandroso mankany amin’ny tombontsoa iraisana rehefa mahalala tsara ny maha izy azy, ny tsirairay. Miainga amin’ny fahatongavan-tsain’ny isam-batan’olona anefa izany. Amin’ny mpanoratra, zava-dehibe ny fanasongadinana ny maha izy ny tena, izay hifampizaràna amin’ny hafa, ary entina manasoa ny maro. “Ny maha izy nozahana, nozohiana mba ho singa”, hoy izy.

Rehefa hita sy miavaka tsara io talenta na fahaiza-manao ao amin’ny tsirairay io, dia hatambatra na havondrona mba ho lasa “angovo” enti-mandresy ny sarotra. Amin’izany, dia samy mandray andraikitra sy manao ny adidy tandrify azy ny tsirairay. Tsy mifampiandry sy mitangorona, fa ny fahatsapan-tena no ilaina. Amin’i HEMERSON, izany no toe-tsaina tokony hananana raha te “hisonga” izany hoe handroso ho amin’ny tsaratsara kokoa.

Tsy maintsy hasongadina io maha izy azy ny tena io, satria izany no mamaritra ny maha olombelona. “Handrefy dia ny olo-miaina” hoy izy. Tsy mitovy eritreritra mihitsy mantsy ny olombelona rehetra. Tsy niara-tonga teto an-tany izy ireo, ary tsy naterak’olon-tokana,“teraka nikiaka irery” hoy ny tononkalo. Tsy izany ihany, fa samy manana ny fotoana sy ny toerana ary ny anton-javatra mety hahafaty azy ihany koa, “maty tsy nifamotoana”. Ireo toetra efa naharian’Andriamanitra ny olona ireo, dia tokony hotazonina hatrany mandritra ny fahavelomana. Tsy sanatria hoe : samy 150 maka ho azy ny olona amin’izany, fa mikatsaka hatrany ny tombontsoa iraisana. Rehefa ampiraisina ireo fahaiza-manao eo amin’ny tsirairay, dia tsy hisy ny mpanara- drian-drano, fa hisongadina hatrany ny maha izy azy ny isam-batan’olona, sy izay mampiavaka azy amin’ny hafa. “Ho singan’olona alin-kisa”, hoy ny mpanoratra.

Satria tsy tanteraka izany rehetra izany, dia toa tsy mahagaga raha tsy mahalala ny tenany intsony ny olona amin’izao fotoana izao. Hoy ny tononkalo ( VA, lah : 146)

“Singa natelin’ny maro diso tsy nombam-bahoaka f’izay be hoe no basy ka inona moa izay ianao ? (…) Tsangan’olona natao vato maty e ! mijoro fa aloka fotsiny !” Raha ny zava-misy iainana ankehitriny, mbola tsy tonga saina hampiseho ny angovo entiny ny olona, hany ka tsy mahagaga raha toa sarona ireo izay mieritreritra ny hiala amin’ny rafitra mangeja ny sarambabem-bahoaka. Tsy mba misy mihaino, satria ambara hatrany fa “izay be no basy”.

Raha tanteraka sy iainana tokoa àry io tsangan-kevitra aroson’i HEMERSON io, dia azo antoka fa tsy hisy intsony ny olona ho voarebireby amin’ny resaka sy ny “kabary ambony vavahady” entina mamerivery ny saina tsy hieritreritra sy hamakafaka. Hihena ihany koa ny fananganana rafitra na fikambanana samihafa, na eo amin’ny sehatry ny finoana izany, na eny amin’ny fiarahamonina, sns. Samy ho tompona andraikitra amin’ny tenany sy ny ataony ny isam-batan’olona, fa tsy hiandry ny hafa hatrany mba handray andraikitra eo amin’ny tandrify azy sy izay azony tanterahina. Olombelona mizàka tena sy mizàka ny fiainany manontolo, tsy miantehitra amin’ny hery hafa, satria efa nomen’Andriamanitra azy daholo ny fitaovana rehetra ahafahany mandroso, toy ny aina, ny saina, ny vatana, sns.

‘Ndeha àry hohadihadiana ny endrika isehoan’io fikatsahan’i HEMERSON ny “maha singa” io, ao amin’ny tononkalony. 151

III-1-3-2- ny endrika isehoan’ny fikatsahana ny “maha singa” Zava-dehibe tokony hotratrarin’ny isam-batan’olona ny fampisongadinana ny maha izy azy ny tenany. Ny hoe : “maha singa” tokoa mantsy, dia hafa noho ny hafa, saingy manabe voho ny maro. Endrika roa no isehoan’ny fanatraran’i HEMERSON ny fitadiavany ny “maha singa” :

- ny fikatsahana fahafahana ; - ny fandalinana izay inoana.

III-1-3-2-1- ny fikatsahana fahafahana Anisan’ny toe-javatra mateti-piherina ao amin’ny tononkalo ny fikatsahana ny fahafahana, ka tsy hofehezina rafitra eo amin’ny lafiny rehetra : ara-batana, ara-tsaina, ary ara-panahy.

Maro ny mety ho antony nahatonga izany tao amin’ny mpanoratra. Teo ohatra, ny tery vay manta nanabeazan’ny rainy azy tamin’ny fahazazany. Raha ny nambarany tokoa mantsy, tena notezaina tamin’ny kapoka izy tamin’ny fahakeliny. Hoy izy : “tamin’ny fahazazako dia tsy maintsy voakapoka foana aho isan’andro ! ny mety ho antony sisa no tsy haiko hoe : ho inona indray !”96. Mbola tsikaritra any amin’ny asa sorany koa izany. Ilay tononkalo nosoratany mitondra ny lohateny hoe : teny fohy, teny foy… (VA, lah : 135, tak : 190) aza dia nasiany fanamarihana hoe : “ho fahatsiarovana ilay raiko tsy nitandro rotsa-paiso hoenti-mankahery ahy …”

Izany angamba no nahatonga azy tsy nanaiky nofehezina tao anaty rafitra intsony rehefa nitombo taona. Tsy mba tia baikoina mihitsy koa, hono, izy fa izay tiany hatao sy heveriny ho mety ary mahafinaritra azy, dia ataony : manoratra, manao sary, manao fanatanjahan-tena, sns. Niseho tamin’ny endrika fankahalana ny rafitra rehetra izay mangeja ny olombelona io fitadiavany ny fahafahana io. Hoy izy ao amin’ny tontolo nofinofiko ? ( VA, lah : 79, tak : 115 )

“(…) Izaho maminavina tontolon’olo-mendrika mahay mandrefy habaka

96 Resadresaka ny 03-12-2015, op cit 152 hanjakan’ny saina mba hiarahana miaina ao anaty fahafahana (…)”. Miseho amin’ny lafiny rehetra ny fahafahana katsahin’ny mpanoratra. Rehefa afaka mampiasa ny sainy mantsy ny olona, ary tsy voageja ao anaty rafitra tsy ahafaha- mivelatra, dia efa azo ambara ho : olona afaka. “Mahay mandrefy habaka, hanjakan’ny saina”, hoy i HEMERSON. Rehefa vitan’ny olombelona tsirairay ny manao izany, dia efa mizotra any amin’ny tontolo anjakan’ny fahafahana izy. Izany, amin’i HEMERSON, no atao hoe : “tontolon’olo-mendrika”. Efa niala tanteraka tao amin’ny maha biby azy ny olombelona, ka mahay mampiasa tsara ny sainy, izay fitaovana lehibe efa nomen’Andriamanitra azy hoentiny mandroso.

Tsy ny fahafahan’ny olona eo amin’ny ara-tsaina ihany anefa no katsahin’ny mpanoratra, fa eo indrindra koa ny ara-batana. Tsy mba tia fitafiana maneritery ny tenany, toy ny fehitenda, ny fehikibo, sns ohatra izy.

Anisan’ny endrika nisehoan’io fitadiavana fahafahana io, koa ny fitsidihana ny fahasamihafana nanerana an’i Madagasikara. Hoy ny mpanoratra : “nanomboka ny taona 1970, dia lasa tia mandehandeha aho. Raha vao misy fomba hahafahako mandeha dia lasa hatrany aho. Tamin’izany no nahitako ny harena entin’ny fahasamihafana eto Madagasikara : na teo amin’ny kolontsaina izany, na teo amin’ny fisainan’ny olona, sns”.97 Anisan’ny toerana nonenan’ny mpanoratra, nandritra ny fotoana naharitra ny tapany Atsimo sy ny tapany Avaratry ny Nosy, ankoatra ny fivezivezena tany amin’ny tontolo ambanivohitra. Tsapa fa nisy akony teo amin’ny tononkalony izany. Nasehony, ohatra, fa harena ho an’ny teny malagasy ny fananany ireo fitenim-paritra maro, ka dia nampiasainy ireny. Ny fampiasany ny voambolana avy any amin’ny faritra samihafa, dia nanehoany indrindra koa ny kolontsaina sy ny soa toavina maha Malagasy. Ahitana izany ao amin’ny maty raho aba a !!! ( VA, lah: 87, tak : 124 )

“(…)

97 Resadresaka ny 05-12-2015, op cit 153

Ny Razako nitsotra no loharina any am-pasana mba ho isan’entam-barotra an-tsenan-taolan-dranjo ny rohy nanasina azy nosoloana boky mainty famafa-lovan-tsofina ilay hira fiantsoana teo anjoro fihiran’azy nanjary toriteny mitoritory tena k’izay vava mba minaona mamarin-tena foana ho « vavan-janahary » !!! (…) » Anisan’ny zava-dehibe mamaritra ny maha olona ny olona sy mampiavaka azy amin’ny zavaboary hafa ny fananany tantara, ny soa toavin’ny Razany sy ny kolontsaina nolovainy taminy, sns. Ireny no maneho ny maha izy azy ny tena sy ny firenena nipoirana. Rehefa tsy voahaja intsony ireny, dia very izay maha olona ny olona, ka zary mirenireny sy toa velombelom-poana sisa, ary tsy manana tanjona hitodiana. Ny Malagasy taloha dia nitoky sy nivavaka tamin’ireo Razany. Nohajainy sy natahorany ary nohasininy fatratra izy ireny. Ary mandraka ankehitriny aza, mbola misy maro, indrindra ireo any amin’ny faritra toy ny any Atsimon’ny Nosy, izay fiteny ampiasain’ny mpanoratra eto, (ao amin’ny hoe: maty raho aba) no manaja fatratra ny hasina ananan’ny Razana. Ny ampahany betsaka amin’i Madagasikara anefa, dia rakotry ny fivavahana kristiana sy ny karazam-pinoana maro ampidirin’ny vahiny, hany ka very tsikelikely ny kolontsaina malagasy, indrindra ny hasin’ny Razana. Manjaka ny vaky fasana, ary atao “entam-barotra” ny taolam-paty. Tsy manana izay heveriny ho masina aminy intsony ny Malagasy, satria na ny fivavahany aza, dia nariany ary nosoloany ny an’ny hafa. Masiaka mihitsy eto ny mpanoratra raha milaza ny Baiboly ho “boky mainty famafa-lovan-tsofina”. Tsy izany ihany, fa teo koa ny 154 fanoloana ho “toriteny” ireo “rary” sy fivavahana natao teo an-joro firarazana. Ireo olombelona izay mitory ny teny ao anatin’ny Baiboly ireny no lazain’ny mpanoratra eto, fa “mamarin-tena” ho mpitondra hafatr’Andriamanitra na “vavan-janahary”, hoy izy. Manoloana izany rehetra izany, very ny soatoavina, manjaka ny fihatsaram- belatsihy, ary mihevaheva sy tsy mahafantatra ny tenany intsony ny Malagasy. Raha aravona izany, toa te hilaza i HEMERSON eto, fa noho ny fidiran’ny fivavahana kristiana, dia very ny hasin’ny Razana ka tsy mampaninona ny olona intsony ny mamiravira ireo taolam-balon’ny maty, ary mivarotra azy ireny.

Manoloana izany trangan-javatra rehetra izany, manentana ny olona ny mpanoratra, mba hisaina sy hamakafaka tsara izay inoany sy ivavahany.

III-1-3-2-2- ny fandalinana izay inoana

Miankina tanteraka amin’ny isam-batan’olona ny finoana arahiny. Tsy mba lova izy io, fa safidin’ny saina mandanjalanja. Tontolom-pahafahana ihany koa ny fivavahana, amin’i HEMERSON. Aminy, ny finoana dia zo fototra ananan’ny tsirairay, ary tsy tokony hidiran’ny olon-kafa na iza na iza. Anisan’ny tanjon’ny mpanoratra ny hamolavola ny olona hahay miresaka sy mitafa amin’ny feon’ny fieritreretany, ary izany no hamaritany izay heveriny ho “masina” sy zava-dehibe aminy. Tsy sehatra na tontolo hafa no mampiditra izany ao aminy, fa ny fisainany mihitsy. Tsy notovozina tany amin’ny bokim-pivavahana ihany koa. Amin’i HEMERSON mantsy, dia mamokatra olona tsy misaina ireny rafitra ireny. Hoy izy ao amin’ny ny finoako ? fahafahana !!! ( VA, lah : 118, tak : 171 )

“(…) Izay hinoako anie ry Ikoto izay ao an-tsaiko anie ry Ikala tsy iandrasako mpanentana ! tsy ilàko mpampitohy ! fa ny finoana sy ny aminy zo fototra ao amiko zo ekeko ao aminao (…)” 155

Azo ambara fa vokatry ny fankahalana rafitra ihany ny finiavan’ny mpanoratra hikaroka ny “maha singa” eo amin’ny sehatry ny finoana. Na izany aza anefa, tsapa fa nifandroritana finoana maro samihafa izy fony kely. Mpino nafana fo tao amin’ny FJKM ireo Ray sy Reniny, saingy tamin’ny ankapobeny, dia nobeazina tany amin’ny sekoly katôlika hatrany izy, ary nambarany koa fa nifanerasera betsaka tamin’ny mpino silamo, boudhiste, sns izy. Ankoatra izany, nandray fanabeazana mahitsy be tamin’ny resaka finoana ihany koa izy tamin’ny fahazazany. Nozarina ho tia vavaka, ary tsy tapaka miangona rehefa alahady ; tena namaky Baiboly ihany koa. Manampy izany ny fivavahana natao tao an-trano, tany an-tsekoly, sns. Nambarany aza, fa nisy fotoana, hono izy, tena nikasa ny hanao mpitandrina mihitsy tamin’ny fahazazany.

Niova anefa izany rehetra izany taty aoriana kely, satria lasa mpitsikera fatratra ny toetra tsy mendrika sy ny fanararaotana ataon’ireo mpitondra fivavahana izy, ary tsy nandeha nivavaka intsony nanomboka ny taona 1972, izany hoe teo amin’ny faharoa ambin’ny folo taonany. Maromaro ny mety ho antony nahatonga izany. Anisany, ohatra, ny fidarohan’ilay mompera azy rehefa tsy namonjy ny lamesa maraina izy, tany Soavinandriana Itasy 98. Nambarany fa tena nihatra tamin’ny ainy mihitsy io vono nahazo azy io. Namaivay azy avokoa ny rantsam-batany rehetra, ary naratra sy narary mihitsy izy. Mety ho nanontany tena manoloana ny fihetsika sy ny toetra ananan’ny mpitondra fivavahana izy, ka lasa nandà ny endrika ivelany isehoan’izy ireny.

Nolazainy fa tsy lavitra ny Andriamanitra inoany, tsy any an-danitra fa mitoetra ao anatin’ny tenany ihany, ary mitàky fahanginana ny firesahana aminy. Hoy izy : “ny finoako dia mitàky fahanginana, fa tsy tatatata mafy hamonoana ny fisainana”99 .

Hoy koa izy ao amin’ny gina sy eritra ( VA, lah : 128, tak : 182 )

“Soa fa nisy fahanginana sy fahatoniana fara-fatra hihainoana indraindray ny eritreritra mandalo

98 Efa voaresaka any amin’ny tsiahim-pahazazan’ny mpanoratra (1-2-2-1) 99 Resadresaka ny 05-12-2015, op cit 156 fa raha kotaba gidragidra no andrandraina hampisaina dia feon’etotra no hisonga vava vody no hitrena !” Ny firesahana amin’ny feon’ny fieritreretana ao anaty fahanginana sy filaminana tanteraka no atao hoe : mivavaka amin’i HEMERSON. Tsy mila antokon’olona mpitarika izy io, ary tsy mitaky fotoana hivondronana ihany koa. Hoy hatrany izy : “tsy misy akony amiko ny vavaka lavareny, ary izaho dia tena mpanakiana ny olona be resaka, toy ny mpitory teny. Amiko, fisehosehoana ivelany sy fanambakana no voizin’izy ireny. (…) Tsy dia tiako loatra ny miresaka momba io finoana sy fivavahana io, satria lasa tontolo mampiady ny olona izany. Ilàna fahaizana miaina sy misaina ny rafitra misy sy iainana.”100

Tena tsy mety amin’i HEMERSON ny fanararaotana ataon’ireo mpitondra fivavahana amin’ireo vahoaka mahantra sy tsy ampy fandalinana loatra. Abaribariny ao amin’ny tononkalony ny fanaovana tsindrio fa lavo ataon’izy ireny. Hoy izy ao amin’ny efa leo ve Itena ? ( VA, lah: 58, tak 83 ) :

“(…) Tsy tahotra tsy henatra ry very mari-drefy mamingavinga ny hasina entin’olombelona ka mamadika ho tsena afaka hivelarany ilay sahan’ny finoana mandrafitra ny singa (…)” Asehon’ny mpanoratra eto ny fironany amin’ny fikatsahana ny fahafahan’ny tsirairay eo amin’ny sehatry ny finoana sy fivavahana. Zava-dehibe ny

100 Resadresaka ny 05-12-2015, op cit 157

“maha singa” ny tena eo amin’izay zavatra inoana, “ilay sahan’ny finoana, mandrafitra ny singa” hoy izy. Tsy rariny ny fanambakana atao amin’ny hafa sy ny fitaomana azy hanaraka ny finoana izay maharesy lahatra ny tena. Ny olona mpanao izany no ambaran’i HEMERSON, fa “very mari-drefy”, izany hoe : tsy mahalala izay maha olona azy intsony. Raha ny zava-misy amin’izao fotoana izao tokoa mantsy, ataon’ny sasany fitadiavam-bola ho an’ny tenany ny finoan’ny hafa. Anaovana dokam-barotra fatratra ny karazam-pivavahana maro izay tsy mitsaha-mitombo isan’andro. Izany indrindra no ilazan’ny mpanoratra eto fa avadiky ny sasany ho “tsena ahafahany mivelatra” izay zava-masina tokony hohajaina ao amin’ny olombelona. Tsy vitsy tokoa mantsy ireo mpitondra fivavahana ankehitriny no mandrisika fatratra ny mpivavaka ao aminy amin’ny fandoavam-bola isan-karazany, izay ambaran’izy ireny fa ho an’Andriamanitra. Nolazain’ny mpanoratra, fa fampahantrana ny fanahin’ny olona izany toe-javatra izany, satria tsy mba mampirisika azy handray andraikitra amin’izay tandrify azy, ary lasa ankininy amin’ny “sitrapon’ny Tompo”, ny fiainany. Toe-javatra tsy mety izany amin’i HEMERSON.

Azo lazaina àry fa tsy ny fivavahana kiristiana akory no tsy tian’ny mpanoratra, fa ny fomba fandraisan’ny olona azy. Tsy ratsy akory ny foto-kevitra ao amin’ny Baiboly raha raisina amin’ny tokony ho izy, ary asiana fisainana sy fandinihana. Tsy natao hangejana ny maha olona tokony hivelatra eo amin’ny fiainana, fa lanjalanjaina tsara.

Rehefa feno fahalalana ny olombelona, dia mahay mandrafitra saham- piheverana sahaza azy ao anaty soatoavim-piarahamonina mirindra. Ny fahafantarana io “maha singa” na ny maha izy azy ny tena io, araka izany, no antoka mety hananganana fiarahamonina milamina mitondra harena ho an’ny maro. Hohalalinina ao amin’ny toko faharoa ny momba izany.

158

TOKO FAHAROA : NY FAMPIVELARANA NY MAHA OLONA FENO NY TSIRAIRAY DIA MITONDRA HARENA HO AN’NY MARO

Rehefa mahafeno ny fepetra maha olona azy ny tsirairay, ary mahafantatra ny antom-pisiany, dia hery ho an’ny fiarahamonina izy. Ny olona mahantra ara-panahy sy ara-tsaina kosa dia vesatra ho an’ny maro. Rehefa tonga saina mantsy ny tsirairay, dia hahatsapa fa tsy mety ny rafitra iainany ankehitriny, ka dia hanangana vaovao izy. Amin’ny mpanoratra mantsy, zava-dehibe ny fibeazana ataon’ny tsirairay amin’ny tenany. Anjaran’ny isam-batan’olona ny manatanteraka izany, ary io no avadika ho fanabeazana, izay hifampizaràna any amin’ny sehatra iombonana. Ny hoe maha olona izany, amin’i HEMERSON, dia ny hery hoentin’ny “singa” - izany hoe : ny tsirairay - ka mitondra lasitra iray ao anatin’ny maro mba hanasongadinany ny maha olona azy. Miainga amin’ny “singa” ary mizotra mankany amin’ny tontolo iraisana, izay mitondra tombontsoa ho an’ny rehetra. Manentana ny Malagasy mba hanasongadina izany mihitsy izy, raha nilaza hoe : “Ramala a ! tsy ny fiangonangonana na ny fivangongoana no atao hoe firaisan-kina, fa ny fanambarana ny hery entin’ny singa amin’ny sehatra iraisana”101.

Anisan’ny tanjona apetraky ny mpanoratra ny hanamafy ny singan’olona tsirairay ao amin’ny fiarahamonina mba hitondra harena ho an’ny maro. Ireto ny lafin- kevitra hovahavahana amin’izany :

- ny andraikitry ny “singa” amin’ny fanasoavana ny maro ; - ny fanentanana ny vahoaka hiombona : “omeo hasina ny olo-mendrika !” - ny lalan-tsaina iombonan’i HEMERSON amin’ireo mpanoratra rômantika.

III-2-1- ny andraikitry ny “singa” amin’ny fanasoavana ny maro Samy manana ny fomba nitaizana sy nanabeazana azy ny olombelona tsirairay. Araka izany, tsy hitovy toetra na fomba fisainana mihitsy izy rehetra. Amin’i HEMERSON mantsy, rehefa tsy misongadina ny “maha singa” dia tsy misy ihany koa ny iraisana. Anjaran’ny tsirairay ny mifanampy amin’ny manodidina azy, ka :

- mampiseho ny antom-pisiany ;

101 Tambazotran-tserasera « facebook », 09-12-2015 159

- mizara ny harena ao aminy.

III-2-1-1- ny tsirairay maneho ny antom-pisiany Samy manana izay heveriny ho antom-pisiany sy antom-pahavelomany ny isam-batan’olona. Tsy maintsy mamaritra io ny tsirairay, fa raha tsy izany dia ho mpanara-drian-drano fotsiny izy, ary tsy ho tompona andraikitra amin’ny tenany mihitsy. Anisan’ny fitaovana lehibe mamatsy ny tena amin’izany, ny fanahy. Kolokoloina sy tezaina izy io mba ho tonga lafatra. Rehefa voajary ny fanahy ao amin’ny tsirairay, dia ho feno izay maha olona azy, ary ho mora ny mifampizara na mifanazava hevitra aminy. Hoy ny tononkalo ( VA, lah : 101 ) “(…) Ny hevitra atsangako tsy ataoko angaredona ka iandrasako “eny” amin’ny be tsy misaina

Ny ahy fehy-tsaina enti-mamafy nitady fanahy efa feno iankinany. (…)” Ilàna vahoaka efa tonga saina ny famolavolàna paika hoenti-manatsara ny maha olona. Ambaran’ny mpanoratra eto, fa rehefa feno ny fanahy ao amin’ny “singa” dia tsy ilaina akory ny fanaovana “angaredona”, izany hoe : ny fitambaram-be enti- manohitra ny zava-misy, amin’ny “hevitra tiana hatsangana” na ny hevitra izay voizin’ny tena. Amin’i HEMERSON izany, tsy mety ny fitaomana ny olona izay mbola “be tsy misaina”, izany hoe : mbola tsy afaka mandalina akory ny zava-misy fa ampirisihana hanohitra fotsiny. Raha izany no miseho, dia hijanona ho tohatra fiakarana ho eo amin’ny fitondrana hatrany ny vahoaka. Ny anjaran’ny tsirairay amin’ny fampivoarana ny tanindrazany manontolo izany, dia ny manajary ny fanahy ao aminy mba ho tombontsoan’ny maro. Maneho ny antom-pisiana mihitsy, araka izany ny fanahy. Hoy ny rendri- panahy ( VA, lah : 100, tak : 143 ) Antson-tsinay sy kiakam-bavony no mandrendrika nofy tsy hisonga amin’ny avo 160 adino eo ny tenany misy fanahy (…) Fandraofana an-jizo izay sendra ny tena no atao soa toavina hireharehana MBOLA OLONA HONO ! ” Asehon’ny mpanoratra eto, fa fitaovana iray lehibe manavaka ny olombelona amin’ny biby ny fanahy ao aminy. Mbola tsy feno anefa izy io raha ny zava-misy ankehitriny no jerena. Manjaka ny fitiavan-tena, ny fitiavan-karena, ny fanaovana tsindrio fa lavo, ny fanararaotam-pahefana, sns “fandraofana an-jizo izay sendra ny tena” hoy ny mpanoratra. Izay mba kely ananan’ny hafa no robain’ny sasany izay mihevi-tena ho lohany sy hoe manam-pahefana. Tsy tafapàka any amin’ny olombelona ny “soa toavina” mamaritra ny fisiany ; noho izany tsy mbola mendrika ny antsoina ho olona akory ireo manao toy izany. Eto moa dia somary maneso ny mpanoratra raha miteny hoe : “MBOLA OLONA HONO ! ”. Variana amin’izay toe-javatra itoviany amin’ny biby mantsy ny olombelona, ka mijanona eo amin’ny filàna ara-tsakafo fotsiny ny nofinofiny “antson-tsinay sy kiakam-bavony no mandrendrika nofy tsy hisonga amin’ny avo”, hoy ny mpanoratra. Anjaran’ny tsirairay izany ny mamaritra ny antom-pisiany. Hoy hatrany ny tononkalo inona no antom-pisianao ? ( VA, lah : 117, tak : 170 ) “Ny tany mivelatra ho an’ny manam-panahy, ny teny velona ho an’ny manan-tsaina, ary ny aina zaraina ho an’ny tany ama-monina tsy very tsy ritra fa mierotra foana miandry maraina hifohazany !!” Manentana ny olona mba hikatsaka ny tombontsoa iraisana ny mpanoratra. Zava-dehibe amin’izany ny famenoana ny fanahy ao amin’ny tena. Rehefa tanteraka izany, dia ifampizaràna amin’ny hafa.

161

III-2-1-2- ny tsirairay mizara ny harena ao aminy Ny olombelona tsirairay dia efa nomen’Andriamanitra harena ao aminy, izay azony ifampizàrana amin’ny hafa. Hoy izy ao amin’ny tsinjo dia III ( VA, lah : 144, tak : 199)

“Misy harena ao aminao tsy azon’iza ho rombahina tsy mampahantra raha zaraina tsy mahasosotra iombonana haren-tsaina, harem-panahy vinavina notanjonina miandry sehatra hitojoana tongava indrindra fa mila anao ISIKA (…)” Asongadin’ny mpanoratra eto ny maha zava-dehibe ny hery entin’ny isam- batan’olona amin’ny sehatra iombonana. “Mila anao ISIKA” hoy izy. Aminy, ilaina ny fifampizaràna ny hevitra sy fisainan’ny tena hoenti-manangana ny ho avy. Sady mahasoa ny tena mantsy izany, no mahasoa ny hafa ihany koa. “Tsy mahasosotra iombonana”, hoy ny tononkalo.

Anisan’ny haren-tsaina sy harem-panahy tokony hifampizaràna amin’ny hafa ohatra ny tontolon’ny kanto. Hoy i HEMERSON ao amin’ny tononkalo (VA, lah : 149) :

“(…) Kolokanto ho ahy irery ??? Tiako ka zaraiko” Sehatra hifanakalozana amin’ny hafa ny tontolon’ny kanto ao amin’ny mpanoratra. Mametra-panontaniana amin’ny tenany izy eto hoe : hokoboniko ho ahy irery ve ny ny asa kanto vokariko? Aminy mantsy, tsy tokony ho afa-po ny tena raha tsy mizara amin’ny hafa izay zavatra tiana. Tsy mahagaga raha manao hetsika fampirantiana ny tontolo kantony hatrany ny mpanoratra, fara fahakeliny, isan-taona. 162

Ampiarahiny amin’izany hatrany ny asa sorany, ny sary hosodokony, ary ny sokitra. Arahana vela-kevitra hatrany izany. Hoy ihany izy ao amin’ny “seraseran-donilony (VA, lah : 109, tak : 155 )

“(…) Ny ahy sy ny amiko… tsy laitra fa mitady lala-manta hotetezina

Ny ahy sy ny amiko … tsy laitra fa maniry ala kotroka hotevehina

Ny ahy sy ny amiko … tsy mety fa miandrandra habakaba-midadasika hamenoana ilay gorobaka alin’aty tsy hita fetra manafotra ny rehetra rehetra” Izany finiavan’ny mpanoratra hifampizara traikefa amin’ny manodidina azy izany indrindra no manasongadina ny fanentanany ny vahoaka hiombona fa tsy hitangorona.

III-2-2- ny fanentanana ny vahoaka hiombona : “omeo hasina ny olo- mendrika!” Ahafahana manangana fiarahamonina vaovao mirindra ny famondronana ny hery entin’ny singa. Misy anefa ireo olona sasany miezaka mamotika ny “maha singa” azy mba tsy hahitàna ny iraisana. Hoy ny tononkalo mampiseho ny maha zava-dehibe ny fiombonana mahasinga isangiana ( VA, lah : 104, tak : 147 )

“Mahasinga isangiana hitsanganan-tsinga maro hahasaky hifanena 163 hampijoro firenena horafetin’olo-miharo (…)” Miainga amin’ny isam-batan’olona ny fampandrosoana ny firenena. Omena hasina ny tsirairay. Rehefa samy mitondra ny heviny mantsy ny olom-pirenena, ary samy mitondra anjara biriky amin’ny tandrify azy, dia ho mora ny “hampijoro firenena”, izany hoe : hamolavola paika vaovao hoenti-manatsara ny ho avy. Tsy hifandovan’ny taranak’olom-bitsy intsony ny fitondrana ny firenena, fa “horafetin’olo-miharo” ny fitantanana ny vahoaka. Karazana olona samihafa avy amin’ny lafivalon’ny nosy, ary ireo olona tena tia tanindrazana sy mikatsaka marina izay hahasoa ny fireneny no mitambatra sy miara-misalahy. Tsy asiana fijeren- tavan’olona ihany koa, fa ny traikefa ananany no zava-dehibe. Vinavina ihany moa no asehon’ny mpanoratra eto, ary tsy mahagaga raha filazam-potoana ho avy hatrany no ampiasainy amin’izany.

Ankoatra izany, miteraka fiarahamonina mirindra ihany koa ny fanambarana ny hery entin’ny singa. Hoy ny ampahany ao amin’ny tontolo nofinofiko ? (VA, lah : 79, tak : 115 )

“(…) F’izaho manofy foana firaisa-monina mirindra hivelaram-pahalalana ka ho sesika tsy lany no voizintsika singa hanasoavana ny maro (…)” Rehefa feno fahalalana ny tsirairay ao anaty fiarahamonina, dia tsy hanjakan’ny fitiavan-tena intsony izy ireo, fa hikatsaka ny tombontsoa iraisana. Eto dia mbola manantitrantitra ny maha zava-dehibe ny famondronana ny hery entin’ny singa tsirairay mba hanasoavana ny sehatra iraisana hatrany ny mpanoratra. Hoy koa izy ao amin’ny ankandasitra ( VA, lah : 115, tak : 167 )

“(…) 164

Tsy vato atoratoraka na tafondo maro vava no hetsika hanoherako ny herisetranao fa saina sy fanahy koloina mba hisonga hamory singa maro hitelina ny ankivy napetrakao ho rafitra sy sedra hotantanako” I E. D. ANDRIAMALALA ihany koa, dia milaza fa anisan’ny antony tsy mampandroso ny Malagasy dia noho izy “mitangorona fa tsy miray”, izany hoe mody mitangorongorona ao ireo singa samihafa, kanefa tsy miombona aina amin’ny hafa, fa samy manao izay hiavahany amin’ny hafa aza, samy tsy mijery afa-tsy ny tenany. Miombon-kevitra amin’ny fahamarinan’izany voalaza izany koa i HEMERSON.Tsy ireo mpanoratra ireo ihany anefa no mivoy ny fikatsahanan ny maha singa mizotra mankany amin’ny tontolo iraisana, fa eo koa ireo mpanoratra rômantika.

III-2-3- ny lalan-tsaina iombonan’i HEMERSON amin’ireo mpanoratra rômantika Misy itoviany amin’ny fomba fisainan-dry zareo rômantika izany lalan-tsain’i HEMERSON izany. Amin’ny rômantika mantsy, dia miavaka amin’ny hafa ny tsirairay. Izay singa tsirairay miavaka amin’ny hafa izay, dia miombona aina amin’ny hafa. Ary izany fiheverana izany no nanosika ny rômantika handray andraikitra eo amin’ny fiainam-piarahamonina sy ny fiainam-pirenena. Hoy i BORNEQUE “tsy nianona fotsiny tamin’ny fitanisana nofinofy sy ny zavatra tsy azo tsapain-tanana ireo mpanoratra frantsay, fa niezaka nandray anjara teo amin’ny sehatra pôlitika ihany koa”102.

102 BORNEQUE, La France et sa littérature, Fasc. 4, le dix neuvième siècle, 1802-1891 « La politique bouleverse la vie de nombreux écrivains : Lamartine, Michelet, Hugo, Taine, Zola, Suscite de 165

Ankoatra ny fikatsahana fahafahana àry, dia anisan’ny lalan-tsaina itovian’i HEMERSON amin-dry zareo Rômantika ihany koa ny firotsahana an-tsehatra amin’ny fanatsarana ny fiarahamonina. Hasiana teny tsirairay ny momba ireo.

III-2-3-1- ny mpanoratra rômantika sy ny fikatsahana fahafahana Aroso aloha ny famaritana fohy ny atao hoe “romantisme”. Raha faritana tsotra, ny “romantisme” dia lalan-tsaina iray nivelatra tany Frantsa, nanerana an’i Eoropa manontolo, eny hatrany Amerika aza, nandritra ny taon-jato faha- XVIII sy faha- XIX. Tsy teo amin’ny literatiora ihany no nahitana azy, fa tany amin’ny “art” koa (mozika, hosodoko, toe-tsain’ny olona, lamaody, sns). Firehana nentina nanohitra ny “classicisme” izy ity. Araka ny voalazan’i STENDHAL, izay taterin’i FAYOLLE manao hoe : “ny romantisma dia fahaizana mampiseho amin’ny vahoaka ny asa soratra mifanaraka indrindra amin’ny toetrany ankehitriny, amin’ny finoany, ka miteraka fahafinaretana tanteraka ho azy … .Ny “classicisme” kosa dia manome azy literatiora mety hahafinaritra ny dadaben’ny dadabeny”103

Raha ny famaritana malalaka, ny rômantisma kosa, dia fironan-kevitra mifototra amin’ny fahafahana maneho hevitra amam-pihetseham-po. Io fahafahana maneho hevitra amam-pihetseham-po io dia miainga amin’ny fahatsapana anaty, izay mahatonga fanitarana eo amin’izay ambara. Noho izany, fironana manohitra ny famoronana sy ny fanehoan-kevitra manara-davahana vokatry ny fanarahana ny lalàna amam-pitsipika mifehy ny asa fanoratana, ny rômantisma.

Hita taratra ao amin’ny fomba fanoratry HEMERSON ny fikatsahana ny fahafahana eo amin’ny sehatry ny asa soratra. Tsy mba voafehin’ny fitsipika samihafa mantsy ny mpanoratra. Anisan’ny foto-kevitra nibaiko ny rômantisma mihitsy izany, ary amin’izany indrindra no miditra ny fanomezan-danja ny saina mandinika.

Vokatry ny firoboroboan’ny siansa, dia nanome lanja ambony ny saina ny olona, nandritra ny vanim-potoan’ny rômantisma. Nampiharina teo amin’ny lafim-

nombreuses œuvres du romantisme au naturalisme, pousse à l’étude des questions sociales, la religion qui inspire le Romantisme » 103 FAYOLLE (R), La critique littéraire, lib Armand Colin, Paris, 1964, p : 264 Formule de Stendhal : « le romantisme est l’art de présenter aux peuples les œuvres littéraires qui, dans l’état actuel de leurs habitudes et de leurs croyances, sont succeptibles de leur donner le plus de plaisir possible. Le classicisme, au contraire, leur présente la littéraire qui donnait le plus grand plaisir possible à leurs arrière grands-pères » 166 piainana rehetra izany. Ny filôzôfa toa an-dry MONTESQUIEU104 sy VOLTAIRE105, ohatra, dia samy nampahafantatra ny zon’ny olona, ary nampiseho tamin’ny olona ny tsy rariny mihatra aminy. Ankoatra ireo, ROUSSEAU106 ihany koa dia nanely hevitra mikasika ny fitovian’ny olona rehetra eo amin’ny fifampifehezana misy eo amin’ny fiarahamonina : samy iharan’ny lalàna avokoa ny olona manao ny tsy mety rehetra. Nihoarana araka izany ny fefy najoron’ny klasisisma, izay nandrafetana ny hevitra tamin’ny fomba voakaly fatratra. Izay tsapan’ny fo amam-panahy no naboraka tany anatin’ny asa soratra. Ny atao hoe : “kanto” amin’ny rômantika mantsy, dia tsy izay manara-pitsipika fotsiny, fa izay eken’ny fieritreretana amam-pihetseham-po ho kanto.

Anisan’ny foto-kevitra nijoroan’ny mpanoratra malagasy maromaro ihany koa io fikatsaham-pahafahana io. Anisan’izany ry : Charles RAJOELISOLO, Ny Avana RAMANANTOANINA, Jean Joseph RABEARIVELO, ary ireo namany hafa, izay namaritra mazava, fa “(…) ny tena poezia dia vetsovetsom-po manetsika fo hafa, ny hiran’ny fanahy mampipararetra fanahy hafa”107. Izany no nahatonga azy ireo hanohitra ny fiheverana fa ny fanarahan-drafitra ihany no mamaritra ny kanto. Nasongadiny ihany koa ny maha zava-dehibe ny asan’ny fo amam-panahy eo amin’ny famoronana. Foto-kevitra niombonan’izy ireo ny hoe : “tsipahinay ny rima, atosikay ny fingadona (…) raha izany ihany no ao anaty tononkira. Ny tena poezia notefen’ny fanahy sy noborahin’ny saina no tena sakafo.”108 Tsy ireo mpanoratra voatonona ireo ihany akory no nanana izany foto-kevitra izany, fa notarihany lalana sy notoroany hevitra ihany koa ireo mpanoratra malagasy namany, mba tsy ho mpaneho fotsiny ny tsapa sy ny hita ary ny re ety ivelany, fa ho afaka hamboraka ihany koa ny tsaroan’ny fahatsapana anaty, dia izay tsapan’ny fo amam-panahy. “Izay tsaroan’ny saina teo am-pahitana azy, na dia kely ihany aza izay hitanao izay, dia tsara lavitra noho ny fôtôgrafy diso mazava”109, hoy RAJOELISOLO.

104 MONTESQUIEU, l’esprit des lois, 1748 105 VOLTAIRE, lettres philosophiques, 1734 106 ROUSSEAU (J.J.), les contrats socials Discours sur l’inégalité 107 RAJOELISOLO (Ch), in Fandrosoam-baovao, 13 jona 1934, lahatsoratra niaraha-namoaka tamin’Ny Avana RAMANANTOANINA sy Jean Joseph RABEARIVELO 108 RAJOELISOLO (Ch), in Fandrosoam-baovao, lah : 5, septambra 1931 109 RAJOELISOLO (Ch), « tsipy hevitra ho an’izay te hanoratra », in Sakaizan’ny tanora, septambra 1930, tak : 138 167

Hita fa miombon-kevitra amin’ireo mpanoratra rômantika malagasy sy vahiny ireo ihany koa i HEMERSON, raha ny fikatsaham-pahafahana eo amin’ny lafiny fanoratana no ambara. Nanambara mihitsy izy fa matsatso aminy ny fahenoana ny tononkalo mampiady rima sy manaraka ireo fitsipika mifehy ny fanoratana. Araka izany, anisan’ny toetra sy antom-pisiana nitovian’i HEMERSON tamin’ireo mpanoratra rômantika ny fikatsahana ny fahafahana, na eo amin’ny saina izany, na eo amin’ny fomba fanoratra, sns. Ankoatra izany, anisan’ny foto-kevi-dehibe novoizin’ny rômantisma koa ny fanomezana vahana ny fahalalahana eo amin’ny fanehoana izay takatry ny fahatsapana anaty. Omen-danja ny fo amam-panahy rehefa mamorona asa soratra. Izany rahateo no efa loharano miteraka ny asa soratr’i HEMERSON.

Tranga azo marihina ao amin’ny tantaram-piainan’ny mpanoratra rômantika ihany koa ny fampisandratana ny fanahy hiaina tontolo hafa ivelan’ny hita maso. I HEMERSON, dia maneho andrana fanatsarana ny famaritana ny “fanahy maha olona” ao amin’ny tsirairay. Nisy ireo mpanoratra nampiasa ny fomba izay heveriny fa hery hahatongavana amin’izany, toy ny filomana amin’ny fisotroana sy ny fidorohana. Nitady ny fahasambarana tao amin’ny fivaivain’ny fahafinaretana sy ny fisotroan- toaka, ohatra, i Alfred de MUSSET, ary izany no nisarika azy ho any amin’ny fahafatesana110. Ireo mantsy no noheveriny fa hialana amin’ny zava-mahory niainany teto an-tany sy hiainany tontolo hafa mahasambatra kokoa. Fiainana an’eritreritra amina tontolo hafa, dia ny tontolon’ny nofinofy toy izany no heverina fa mampifanindran-dalana ny tantaram-piainan-dRABEARIVELO sy ny fikarohana zava-mahadomelina hatramin’ny fiafaran’ny fiainany. Anisan’ny ady atrehin’i HEMERSON ihany koa ny fanomezana soso-kevitra hampisandratana ny fanahy ao amin’ny olombelona. Araka izany, mpanoratra niezaka nampisandratra ny fanahy ao aminy ny mpanoratra rômantika, ka namonjy ny tontolon’ny nofinofy nigohany fahasambarana.

110 LAGARDE et MICHARD, XIX ème siècle, p : 205 « A trente ans, épuisé par les plaisirs et l’alcoolisme ; MUSSET est menacé par une maladie de cœur (….) et il meurt dans l’obscurité en 1857 » 168

Tahaka an’i BEAUDELAIRE111, dia mpanoratra nankamamy fahanginana sy fitokana-monina hatramin’ny fahazazany i HEMERSON. Mazàna izy no niolonolona irery tao an-trano vokatry ny fitiavany namaky boky be loatra. Nanao fandinihan-tena lalina hatrany izy tamin’ireny fotoana ireny, ary nidinika naharitra tamin’ny feon’ny fieritreretany, indrindra ny amin’ny manodidina ny tontolom-panahy. Na dia ambara aza fa ny mpanoratra rômantika, dia mpanoratra tena kristiana, tsy azo lazaina ho izany kosa i HEMERSON. Aminy, zava-dehibe ihany koa ny fikatsahana ny fahafahana eo amin’ny lafiny finoana, ary malalaka amin’izay inoany ny tsirairay.

‘Ndeha àry hasiana teny ny firotsahana an-tsehatra eo amin’ny fiarahamonina ataon’ireo mpanoratra rômantika.

III-2-3-2- ny mpanoratra rômantika sy ny tontolon’ny pôlitika

Anisan’ny tanjona apetraky ny mpanoratra rômantika ny fikatsahana ny tsaratsara kokoa hatrany eo amin’ny fiainan’ny fiarahamonina. Misy ny finiavan’izy ireo handamina ny tontolo manodidina azy amin’ny alalan’ny firotsahana an-tsehatra sy fandraisana andraikitra eo amin’ny tontolo manodidina.

Voalaza fa maro tamin’ireo mpanoratra rômantika no nirotsaka tamin’ny fitantanana ny raharaham-pirenena sy ny raharaham-piarahamonina. Nandritra ny taon-jato faha- XVIII sy ny taon-jato XIX, dia maro ireo mpanoratra rômantika no niditra an-tsehatra tamin’ny tolona pôlitika sy sôsialy, na tamin’ny alalan’ny asa soratra, na tamin’ny alalan’ny fandraisana anjara mivantana. Voarakitry ny tantara fa i LAMARTINE sy i VICTOR HUGO dia samy efa solombavam-bahoaka, i VIGNY efa nilatsaka hofidiana tamin’ny sehatra samihafa. Tamin’ny taona 1848 dia voatendry ho filohan’ny Governemanta vonjimaika i LAMARTINE taorian’ny fandraisany anjara mivantana tamin’ny fampijoroana ny Repoblika. Fantatra araka izany, fa nibahan-toerana teo amin’ny asa soratry ny mpanoratra rômantika ny tara-kevitra

111 LAGARDE et MICHARD, XIX ème siècle, p : 424 « sa mère, veuve en 1927, se remarie l’année suivante avec le commandant AUPICK (…) revolté par ce mariage, l’enfant qui ne s’entend pas avec son beau- père (…) » 169 mikasika ny fiainam-piarahamonina.112 Araka izany, ireo mpanoratra rômatika nalaza tany Erôpa ireo, dia saika nandray anjara mivantana tamin’ny fitantanana ny fireneny.

Mbola maneho izany koa ny boky mitondra ny lohateny hoe : De la tittérature considérée dans ses rapport avec les institutions sociales (1800),sy ny tantara foronina Delphine (1802) izay samy novokarin’i Madame de STAEL. Ireo dia samy maneho ny trangam-piainana nisy teo amin’ny fiarahamonina.113 Na dia nanandrana hiantsoroka andraikitra goavana teo amin’ny raharaha pôlitika aza mantsy i Madame de STAEL, dia ny fandaminana ara-tsôsialy no tena nahafantaran’ny maro azy. Anisan’izany ny fandravonana ny disadisa nisy teo amin’ny fiarahamonina, ny fitakiana ny zon’ny vehivavy114. Nisy araka izany ireo mpanoratra nanolo-tena ho matihanina tamin’ny fanaovana pôlitika. Ry Benjamin COSTANT aza moa dia nahavatra nangataka ny zom-pirenena frantsay mba hahafahany mirotsaka an-tsehatra amin’ny tontolon’ny pôlitika matihanina.115

Ankoatra ny firotsahana mivantana teo amin’ny tontolon’ny pôlitika nataon’ireo mpanoratra rômantika, dia nahafahan’izy ireo nitari-dalana ny mpiara- belona taminy ihany koa, ny fanoratana an-gazety. Fomba toy izany no nentin’i VICTOR HUGO nivoy ny foto-keviny fony izy niara-dalana tamin’ny firehana

112 LAGARDE et MICHARD, xix ème siècle, p : 07 « continuant la tradition du XVIIIè siècle, de nombreux écrivains s’engagent dans la lutte politique et sociale par leurs œuvres et leur action. Ce fait est surtout frappant à l’époque romantique – LAMARTINE et HUGO sont députés, VIGNY lui-même le présente aux éléctions. En 1848, LAMARTINE, qui a beaucoup contribué à l’avènement de la République, devient Chef du Gouvernement Provisoire » 113 LAGARDE et MICHARD, XIX ème siècle, p : 13 « En 1976, un essai traitant « de l’influence des passions sur le bonheur des individus et des nations » révèle chez Madame de STAEL des tendances romantiques qui s’affirment, en 1800, dans un ouvrage important : « De la littérature considérée dans ses rapports avec les institutions sociales ». Puis c’est un roman, « Delphine » (1802), qui plaide ardemment en faveur des droits du cœur contre les préjugés sociaux » 114 LAGARDE et MICHARD, XIXème siècle, p : 1314 : « sous la Révolution, qu’elle acceuille avec joie, Madame de STAEL tente de jouer un rôle de premier plan dans la politique francaise (…). Sa vie errante est un perpétuel orage ; partout où elle passe, elle déchaîne le scandale ou l’adoration (…). Pour peindre l’âme romantique, il lui suffit de se considérer elle-même et de s’épancher, ce qu’elle fait dans ses romans. Elle y exprime son experience de la passion, ses revendications feministes, sa soif de liberté, son instinct de domination ; même les évènements de sa vie y sont aisément reconnaissables, seul le dénouement est beaucoup plus mélodramatique que la réalité ». 115 LAGARDE et MICHARD, XIX ème siècle, p : 22 « quelques années après un mariage malheureux, il s’éprend de Madame de STAEL (1794), la suit à Paris, revendique la nationalité française et amorce une carrière politique » 170 ankavia, ka nahatonga azy hanorina ny gazety “Evénement”116. Araka izany, tsy ny fanaovana pôlitika amin’ny alalan’ny tolona mivantana ihany akory no nahafahan’ny mpanoratra nandray anjara tamin’ny fandaminana ny fiarahamonina niainany, fa teo ihany koa ny asa soratra samihafa, na an-gazety, na any amin’ny boky, mirakitra fanazavan-kevitra sy fanentanana.

Anisan’ny lafin-javatra voaporofo ao amin’i HEMERSON avokoa izany fironan-kevitra rehetra izany. Nambarany mantsy, fa tsy mitady toerana ao amin’ny fitondram-panjakana velively akory ny tenany, saingy tsy sasatra maneho ny foto- keviny amin’ny fitaovan-tserasera samihafa, toy ny gazety, fahitalavitra, fampielezam- peo maro samihafa izy, hivoizany ny firehan-keviny. “(…) Mpanonofy, mpandrandrana ary mpivoy kolontsaina vanona fa tsy misy mpihaino !”117, hoy izy. Araka izany, tsy ny fandraisana anjara mivantana amin’ny fitantanana ny firenena, toy ny nataon-dry VICTOR HUGO sy LAMARTINE, no zava-dehibe amin’i HEMERSON, fa ny fanentanana ny olombelona mba hahay hivondrona, kanefa koa haneho ny maha singa azy hatrany.ao anatin’ny tontolo iraisana.

Maro ny antony mety ho mahatonga an’i HEMERSON tsy handray anjara mivantana eo amin’ny fitondram-panjakana. Tsy azo lavina mantsy, fa manamarika ny tantaram-piainan’ny mpanoratra ary miako eo amin’ny tantaran’ny literatiora ny fifandonana ara-poto-kevitra amin’ny mpitondra fanjakana. Anisan’ireo mpanoratra niharan’izany ohatra, i VICTOR HUGO sy i CHATEAUBRIAND. Namolavola tantaram-piainana feno fahadisoam-panantenana teo amin’izy ireo mantsy ny firotsahana teo amin’ny sehatry ny pôlitika, vokatry ny faniriana tafajanona ho fikasana fotsiny. Diso fanantenana tamin’i Napoléon BONAPARTE i Madame de STAEL, ary i VICTOR HUGO, tsy nanam-po ny hifandona tamin’i Louis NAPOLEON izay notohanany. Toy izany koa i CHATEAUBRIAND nanoloana an’i LOUIS XVIII. Ny fahadisoam-panantenana pôlitika toy izany, dia mitarika ny mpanoratra hanatevin-daharana ny mpanohitra ny fanjakana mijoro. Efa nirona

116 LAGARDE et MICHARD, XIX ème siècle, p : 155 « Mais soudain, pour des raisons à la fois idéologiques et personnelles, il se rapproche de la gauche, dénonce le césarisme dans un journal qu’il a fondé, l’Evénement » 117 Tambazotran-tserasera facebook, 06-12-2015 171 tamin’ny fanoherana ny fanjakana, sady niharan’ny famaizana vokatr’izany, na i Madame de STAEL, na i VICTOR HUGO, na i CHATEAUBRIAND, sns.

Maro ireo asa soratra niorina tamin’ireny zava-mangidy nateraky ny fanaovana pôlitika ireny. Anisan’izany ny tantara noforonin’i Madame de STAEL maneho mpandray anjara vehivavy sahy sedra, toa mitovitovy toe-tsaina amin’ny mpanoratra, tantara izay nosoratany tany Italie taorian’ny nilatsahan’ny didim-panjakana nandrara azy tsy hanitsaka an’i Paris renivohitra frantsay118.

Asa soratra maro no nosoratan’i VICTOR HUGO fony izy tany an-tsesitany. Ny asa sorany “les châtiments”ohatra, dia nosoratany tany Bruxelles fony izy natao sesitany tany, tamin’ny taona 1853. Io sangan’asany io dia manasongadina ny fitiavam-pahafahana sy ny fanantenana ny hoavy mamiratra tao aminy.

Anisan’ny mpanoratra mirona amin’io fanoherana ny fitondrana ihany koa i HEMERSON. Mipetraka amin’ny toeran’ny mpahay tantara sy mpandinika fiarahamonina hatrany izy amin’izany. Ny asa soratra no andraisany anjara amin’ny lafiny pôlitika. Miseho ao amin’ny tononkalony ny finiavan’ny mpanoratra handray anjara amin’ny fikatsahana ny tsaratsara kokoa ho an’ny mpiara-belona aminy. Ao ihany koa no hanehoany ny heviny amin’izay heveriny ho mahasoa ny fiarahamonina. Aborany amin’ny alalan’ny tononkalo ny zava-mafy mianjady aminy manoloana izany fikatsahana izay hahasoa ny mpiara-belona aminy izany. Hoy i HEMERSON ao amin’ny seraseran-donilony (VA, lah : 109, tak : 155 )

“Tsy fantatro tsy haiko na ny hevitra narafitro na ny teny namboleko no tsy zakan’olo-mihaino f’efa zary lasa tevana

118 LAGARDE et MICHARD, XIX ème siècle, p : 13 « (…) en 1803, Madame de STAEL reçoit l’ordre de s’éloigner à quarante lieues au moins de Paris. Elle aura beau multiplier les démarches et les promesses d’être « sage », Napoléon, tout en conservant certains égards, lui interdira toujours l’accès de la capitale, et la surveillance exercée sur Madame de STAEL par la police impériale deviendra de plus en plus sévère (…) » 172 manasaraka ahy sy ianao ny seraseran-donilony hany mampiray antsika (…) Sary sainiko sadaikatra eo an-tendron’oronao Izaho tsy asianao sira ka heverinao ho vendrana rehefa tsy miray hiaka amin’ny horakora-tsahona (…)” Vokatry ny foto-kevitra miavaka ananan’ireo mpanoratra rômantika, dia mazàna izy ireny no ailiky ny fiarahamonina. Ambaran’ny sasany aza, fa olona hafahafa sy tsy azo iaraha-monina ny mpanoratra, “mpanonofy ranomaso sy fitserana”119, hoy ny sasany. Toa milaza izany, fa ny alahelo sy ny hakiviana ihany no tena resahan’ny mpanoratra any amin’ny tononkalony. Tsy mitombina tanteraka anefa izany, satria ny mpanoratra toa an’i HEMERSON, ohatra, dia izay rehetra fahatsapana any anatiny, toy ny hatezerana sy ny hasiahana no tena mibahan-toerana ao amin’ny asa sorany. Ankoatra izany, mpitarika ny olona ho any amin’ny fiarahamonina mirindra sy milamina ny mpanoratra. Tsy mijanona eo fotsiny anefa, fa miitatra mankany amin’ny nofinofim-pananganana rafi-piarahamonina vaovao iombonan’ny Malagasy, ny fivoizan’i HEMERSON ny maha olombelona.

119 Fary mamy, kilasy voalohany, « ny poety », Job RAKOTOJAONA, tak :186-187 173

TOKO FAHATELO : NY NOFINOFIM-PANANGANANA RAFI – PIARAHAMONINA VAOVAO IOMBONAN’NY MALAGASY Anisan’ny misongadina ao amin’ny tononkalon’i HEMERSON ny famolavolana paika hoenti-manangana tontolo vaovao mahafinaritra, iarahan’ny rehetra miaina. Miainga amin’ny fampivoarana ny maha olombelona izany tanjona tratrariny izany. Ny mpanoratra hafa toa an-dRAJOELISOLO120, dia nitaona ireo indray nihira taminy mba “ho tena olona manana izay maha izy azy, ka ho toy ny kintana mpitarika ny mpiray tanindrazana aminy eo anivon’ny rafi-piarahamonina najoron’ny mpanjana-tany”121. Aminy ihany koa, dia tokony hibahan-toerana ao amin’ny literatiora ny “eritreritra manoloana ny fepetra mifehy ny olombelona eto an- tany, dia ny hetahetam-piainany, ny fifaliany, ny fahasambarany, ny adin-tsainy, ny fahoriany, ny tebitebiny, ny fahadisoam-panantenany : ireny no asa soratra tsy lefin’ny fotoana ka mitoetra ho sangan’asa eo anivon’ny tantara, na aiza na aiza toerana, na inona na inona ivelomany”122. Koa na ny “tsipy hevitra ho an’izay te hanoratra”, na “ny resadresaka momba ny poezia”123, dia samy nanehoany ny fanentanany sy ny fitarihan-dalana ny mpanoratra ; ary dia nanova ny vontoatin’ny asa soratra maro izany, satria “tsy soratra namborahana ny vetsovetsom-pony samirery ihany akory no nataony, fa soratra manentana koa ny mpiara-belona aminy hahay hamantatra ny vontoatin-javatra eo amin’ny tontolo iainany”124.

Anisan’ny mpanoratra mpitarika sy mpanentana ny mpiara-belona aminy hanangana rafitra vaovao iaraha-miaina ary mifanentana amin’ny maha olombelona, sy amin’ny maha Malagasy ihany koa i HEMERSON. Ireto zana-toko ireto no hovahavahana :

- ny nofinofy mipàka amin’ny olombelona tsirairay ; - ny nofinofy hanangana fiarahamonina vaovao sy mahafinaritra ; - ny anjara toeran’ny maha Malagasy miatrika ny fanatontoloana.

120 RAJAONA (S), takelaka notsongaina II, tak : 13 121 B.D. SOLOHERY R. , Hiratra I, tak : 70 122 RAJOELISOLO (Ch), « tsipy hevitra ho an’izay te hanoratra », in Ny sakaizan’ny tanora, nov 1931 123 RAJOELISOLO (Ch), « resadresaka momba ny poezia », in Ny sakaizan’ny tanora, Aprily- Aogositra 1932 124 B.D. SOLOHERY R., Hiratra I, tak : 69 174

III-3-1- ny nofinofy mipàka amin’ny olombelona tsirairay Amin’i HEMERSON, ny olombelona tsirairay dia afaka maminavina hoavy mahafinaritra amin’ny alalan’ny fifandraisany amin’ny mpiarabelona aminy ao anaty fiarahamonina. Zava-dehibe amin’ny mpanoratra ny fanentanana ny vahoaka sy ny mpitondra mba hanana izany toe-tsaina izany. Ireto ny lafin-kevitra hodinihina : - ny fitsikerana ny toe-tsaina tsy mety ; - ny soso-kevitra aroson’ny mpanoratra manoloana izany.

III-3-1-1- ny fitsikerana ny toe-tsaina tsy mety Anisan’ny fototra iray lehibe mampikorosy ny maha olona ny fahasimban’ny toe-tsaina, izay mety ho nateraky ny tsindrim-piainana isan-karazany. Maro ireo trangan-javatra maneho ny fahantrana ara-tsaina, ka tsy mampandroso ny firenena, toy ny fakan-tahaka be fahatany, ny tsy fahalalana ny tantara, ny fianteherana amin’ny hery hafa ivelan’ny tena.

III-3-1-1-1- ny fakan-tahaka be fahatany Maneho fahantrana ara-tsaina eo amin’ny olombelona ny fakàna tahaka be fahatany izay vitan’ny hafa. Tsy misy intsony ny fisainana sy fandalinana izay mampiavaka ny tena. Ambaran’ny mpanoratra fa anisan’ny olana lehibe tsy mampandroso ny Malagasy izany. Hoy izy : “Ramala a ! mba tiantsika loatra ny voambolana miraondraona, mora atao an-tsafelika ary tsy sarotra atoraka toy ny hoe : “manara-penitra”, “manara- dalàna”, sns, fa fenitra nifanarahantsika tamin’iza? Taiza ? Ary oviana ?... Ary lalàna nifanarahantsika tamin’iza ? Tamin’ny fomba ahoana ? Manara-dalàna ve ny mampitovy andian-dahatsoratra amin’ny lalànan’ny hafa, ka mampihatra azy tsy misy tomika amin’ny tany nitrebonany !? Ataontsika fenitra ny hoe : manandratra ny maha Malagasy, ka inona amin’ny ataontsika àry no manara-penitra mifanaraka amin’izay maha izy antsika izay ? Ilay hoe manara-penitra moa izany dia azo miraina amin’ny hoe : “tahaka ireo lasitra atolotry ny any ivelany ?” Izay ve no mahatonga antsika manao amparimbona mihitsy mitanisa, rehefa mba misy zavatra vita eto an-toerana ka lazaina hoe : “tsy mena-mitaha amin’izay vita avy any ivelany ?” 175

Impiry impiry isika no miandry “olona na hetsika misongadina eo amin’ny iraisam-pirenena hireharehana fa ireny ka “Malagasy tsy mena-mitaha amin’ny hafa”? Mitory fahantrana eo amin’ny fikolo-mari-drefy izany. (…) Tsy misy misongadina afa-tsy ny kevoka sy ny “manara-penitra” !!! “ny eto tsy voafehy, ny eto tsy fantatra, ny any tsy takatra” … Very an-jevony toy ny hetotry ny mpifàna, hoy ilay fitenenana, satria tsy an-tany, tsy am-parafara no hiafarana. Tsy mahatsapa akory ny fisian’ny olona ka miandry Zanahary hitondra fanafany handrindra ny zava-drehetra. Dia io ianao izao, toy ny gisa ankatoky ny Noely …miandry ilay hiaka farany hanariany ny aina … Ssssshhiiii !!! hiaka farany, manara-dalàna, sns. Famonoan-tena manara- penitra ! mivari-lavo amin’ny tsy natao ho an-tena ! Mandrimandria am-piadanana e !!!”125 Asehon’ny mpanoratra eto fa tsy mety ny maka tahaka be fahatany tsy misy fisainana ny zava-misy iainan’ny hafa, toy ny any ivelany. Aminy, tokony hifanaraka amin’ny soa toavin’ny fiarahamonina ny lalàna hifehezana ny mponina ao aminy. Tsy ilaina ny fampitahana ny zava-bita eto an-toerana sy ny any ivelany. Tokony hasongadina mihitsy aza ny fahasamihafana. Famonoana ny firenena ny sarisarin- drafitra apetraka mba hanabadoana ny mponina ao aminy. Hoy izy ao amin’ny ry zareo ( VA, lah : 80, tak : 117 ) “(…) Miana-kendry ny adala mitanisa ny tsy nisainany dia miseho ho manan-kevitra nefa anie ny andinindininy nobolokiany tamin’ny hafa e ! (…)”.

125 Tambazotran-tserasera « facebook », 15-12-2015 176

Ny ankamaroan’ireo lalàna misy sy iainana eto Madagasikara, dia saika notovozina avy tamin’ny lalàna frantsay avokoa. Ireny andinin-dalàna maro karazana ireny no “tanisain” ’ireo mpitondra, izay ambaran’ny mpanoratra eto, fa “adala” kanefa mody miseho ho “hendry”, amin’ny vahoaka, mba hifehezana azy ireo. Miseho ho tompon’ireny lalàna ireny izy ireo, kanefa mazàna, dia tsy mba nampiasa ny sainy akory, fa “nobolokiany tamin’ny hafa”, izany hoe : nalainy tahaka be fahatany tsy nasiana fandinihana akory ireny. Toe-javatra mampibaribary ny fahantrana ara-tsaina, ary misakana ny fandrosoan’ny firenena ny tahaka izany, amin’i HEMERSON. Aminy, tokony hifanaraka amin’ny kolon-tsaim-piarahamonina ny lalàna mifehy ny vahoaka ao amin’ny firenena tsirairay avy. Ankoatra izany, ny lalàna maro mangeja ny olombelona dia manidy ny sain’ny olona tsy hisokatra. Raha mba te hanatanteraka hetsika iray hanasoavana ny mpiara- belona mantsy, dia marobe hatrany ny lalàna arahina. Hoy koa izy ao amin’ny sary olona ( VA, lah : 68, tak : 101 ) “Fa na ny nofiny aza, nofy nofolahana voangory fotsy vody ka indreo misarisary, dika sadasada matin’ala-tahaka … (…)” Tsy amin’ny endrika ivelany ihany no miharihary ny fibaikoana ataon’ireo vahiny amin’ireo mpitondra firenena eto Madagasikara, fa miseho eo amin’ny lafiny rehetra mihitsy. Tsy mba manana ny nofinofiny intsony izy ireo, fa zary toy ny “sary olona” sisa no iantsoan’ny mpanoratra azy. Izany hoe : mijoro fotsiny toy ny olona rehetra, saingy efa tsy manana izay maha izy azy intsony. Ny “voangory fotsy vody” no mitondra sy hanankinany ny fiainany rehetra. Ambaran’ny mpanoratra aza, fa efa “nofolahin” ’ireo hatramin’ny fisainany manontolo. Tena miteraka voka-dratsy goavana eo amin’ny fiainan’ny tsirairay, ary miantraika amin’ny fiainan’ny firenena manontolo mihitsy, araka izany, ny toe-tsaina tia maka tahaka ny an’ny hafa fotsiny fa tsy mba manao fandalinana. Tsy izany ihany, 177 fa ny tanindrazana mihitsy no iharan’ny fahavoazana aterany. Hoy ny mpanoratra ao amin’ny tany mena, tany maina ? ( VA, lah : 50, tak : 71 ) “(…) Eny ho’aho ry tanindrazako revorevon’ny faha itsy tani-nofiko hamaray tany mbola miantok’aina hiafarana rahatrizay raoviana re ny taniko no ho tanim-binavina ravoravo tonga hasina ? tany mena, tany maina iriko ianao ho tany miaina !” Potika ny tanindrazana, tsy misy ny hoavy azo andrandraina sy antenaina satria “revorevon’ny faha itsy” ny mponina ao aminy. Tsy ao an-tsain’izy ireo intsony, fa ny tany no mamelona azy “tany mbola miantok’aina”, ary mbola “hiafarana rahatrizay” ihany koa. Manentana ny Malagasy mba ho tonga saina i HEMERSON ka hiverina hifikitra amin’ny taniny. Izany no antoka amin’ny fanomezan-kasina ny tanindrazana. Hasondrotra ny vinavina sy ny nofinofy mba hanana ny maha izy azy ny olombelona monina ao, ary ho “tonga hasina” ny firenena. Tsy hivelona intsony amin’ny fakan-tahaka izy ireo amin’izany. Raha tanteraka izany rehetra izany, dia ho “tany miaina” i Madagasikara. Anisan’ny olana mibahan-toerana eo amin’ny fiainan’ny Malagasy ihany koa, ny tsy fahafantarany ny tantarany. Hasiana teny ny momba izany.

III-3-1-1-2- ny tsy fahalalana ny tantara Anisan’ny singa mandrafitra ny atao hoe : firenena ny fananany ny teniny, ny kolon-tsainy, ny tantarany sy ireo maherifony. Amin’ny ankapobeny, tsy fantatry ny maro amin’ny Malagasy akory ny tantaran’ny Razany. Anisan’ny antony mety mahatonga izany, ny finiavan’ny olona sasany hanafina azy ireny mba tsy hahitana ny hadisoana vitany. Na misy tokoa aza mantsy ny boky mba mirakitra ampahan-tantara 178 niainan’ny firenena, dia mazàna tsy dia mba mahaliana ny olona, ary tsy dia misy mividy loatra izy ireny. Mbola tsy tafiditra ao amin’ny filàna fototra eo amin’ny andavan’androm-piainan’ny Malagasy rahateo, ny boky. Tsy mba nozarina ho tia ny zavatra tahaka izany ihany koa ny ankamaroan’ny Malagasy. Tsy mba liana amin- javatra mivelatra kokoa ny sainy, fa variana amin’ny fitadiavana ny sakafo sahaza ho azy isan’andro fotsiny. Tsy mahagaga àry raha tsy mba misy misongadina ireo olona nahafoy ny ainy ho an’ny firenena. Hoy i HEMERSON : (…) maro ireo olo-manga tsy fantatra anarana, mitondra ny angovony, manasoa, … Saingy akaiky loatra angaha ka ny fofon-keliny no manindry noho ny zava-bitany, dia tsy hita, tsy ankalazaina, tsy deraina (…)”126 Hoy koa izy ao amin’ny akom-bakoka ( VA, lah : 55, tak : 76 ) “Misy ny minia handrazana ny lasa hifono tsara valona am-bata mihidy vazana dia misaron-doha tarazoin’ny omaly nahazoany tombontsoa ka manafina an-tahiry ny tsara norantoviny mba tsy hibananâka hitobaka amin’ny maro ny vavahadin-kevitra mbola mety hisokatra

Dia izy ireo mazàna no jamba am-panahy manodina tantara sy misinton-damba mba ho tsara soritra itony sora-tsehony

126 Tambazotran-tserasera « facebook » 09-12-2015 179

(…)” Afenina amin’ny sarambaben’ny olona ny tantaram-pireneny. Atao izay tsy hahafantaran’ny maro azy. Heverina ho toy ny maty, ka tsy afaka ny hanova na inona na inona eo amin’ny fiainan’ny velona, ny tantara. “Handrazana ny lasa” hoy ny mpanoratra. Volena ao amin’ny olona ny toe-tsaina tsy tia hitodika amin’ny lasa, mba hanatsaràna ny hoavy. “Ny lasa momba ny lasa”, hoy koa ny fomba fitenin’ny Malagasy. Dia iniana hadinoina ka “hidina am-bata mihidy vazana” ny tantara, sao mantsy ho fantatry ny sarambabem-bahoaka ny maha izy azy, ka ho tonga saina hitaky ny zony izy. Amin’i HEMERSON, anefa, ny fahalalana ny tantara dia mety hanokatra ny “vavahadin-kevitra” ao amin’ny olombelona. Raha tanteraka izany, dia ho very “tombontsoa” ireo olom-bitsy tia tena sy tia kely izay “manafina an-tahiry ny tsara norantoviny mba tsy hitobaka amin’ny maro”. Ireo olona ireo no ambaran’ny mpanoratra fa “jamba am-panahy”, tsy mba manan- tsaina afa-tsy ny ho azy ihany, ka misora-tena ho tena “zavatra”. Izy ireny no miavaka eto Madagasikara, satria “misinton-damba”, izany hoe : miezaka mampisongadina ny tenany mba ho hita sy hoderain’ny maro, ary dia voarakitra any amin’ny tantara, fa olomanga nitondra sy nanasoa ny firenena. Manoloana izany trangan-javatra izany, dia atao mihitsy izay tsy hahatsapan’ny vahoaka ny tsy maha mety ny rafitra iainany. Raha misy ny marina mety ho tsapa, dia mamoron-javatra hanaronana izany hatrany ny mpanao pôlitika. Anisan’ireny ny fampihavanam-pirenena, izay toherin’i HEMERSON mihitsy, satria anisan’ny endrika iray hanabadoana ny vahoaka, sy hamafàna ny tantara ihany koa. Hoy izy ao amin’ny fampihavanam-pirenena ? ( VA, lah : 85, tak : 122 ) “(…) Sarin’ady no kinarinarina handemena ny tadidinao maty ny maty dia dify atelin’ny fanadinoana meteza ho faty izay mety fa ny loza mandindona anao ny ratra tsy zaka hatr’izay voafafa natao kilalao 180 akandasitra vazin’ankizy serana hangeren’ny vorona heloka hibaboana hoe mody rariny ?” Maro ny fihetseham-bahoaka nisy teto Madagasikara hatramin’ny nahazoana ny fahaleovan-tena. Tsy nety ho afa-po tamin’ireo mpitondra napetrany ho mpitarika azy mihitsy mantsy ny Malagasy. Niteraka faty olona marobe hatrany ireny hetsi- bahoaka ireny. Ankoatra ireny, maro ihany koa ireo hadisoana ataon’ireo mpanao pôlitika, izay mandranitra ny hatezeran’ny vahoaka. Rehefa mitady ny marina momba azy ireny anefa ireto farany, dia kitihin’izy ireo indray ny fahatsapan’ny olona, amin’ny alalan’ny fitanisana ny soa toaviny, toy ny hoe : “ny heloka hibaboana mody rariny”. “Lemena” amin’ny alalan’ny kabary tsara lahatra ny tadidin’ny maro mba hamafana ny tantara. Rehefa izany dia “atelin’ny fanadinoana ireo maty”, ary hadino tanteraka koa ny fisian’ireo “ratra tsy zaka” nampitondrain’ireo mpitondra, ny vahoaka madinika. Dia tsy ao an-tsain’ny Malagasy maro intsony, fa loza mitatao eo ambony lohany izany toe-javatra izany. Mbola antitranterin’ny mpanoratra ao amin’ny mahereza daholo e !!! ( VA, lah: 65, tak : 96 ), ny toetra ratsy ananan’ireo olona mpanafina ny marina eto amin’ny firenena ireo. Hoy ny tononkalo : “(…) Mbola misy misy foana… fokon’olona hafahafa mandrary tranga hanolanana hamonoana … handrodanana izay fizotran’ny tantara hitsirian’ampitso mihiratra (…)” Raha haravona izany, amin’i HEMERSON, anisan’ny antoka hananganana ny hoavy mamiratra ny fampahafantarana amin’ny olona ny tantarany. “Izay fizotran’ny tantara, hitsirian’ampitso mihiratra”, hoy izy. Hojerena manaraka fa anisan’ny toe-tsaina mbola mila harenina eto amin’ny firenena ihany koa ny fianteheran’ny maro amin’ny hery hafa ivelan’ny tenany. 181

III-3-1-1-3- ny fianteherana amin’ny hery hafa ivelan’ny tena Antony iray lehibe tsy mampandroso ny olombelona ny fianteherany amin’ny hery hafa ivelan’ny tenany. Anisan’izany ny fivavahana sy ny tontolo hafa. Mitsikera ireny tsangan-kevitra ireny mihitsy i HEMERSON. Hoy izy ao amin’ny fiekena tsy finoana ( VA, lah : 134, tak : 188 ) “Tsy mino aho fa hisy hafa handray andraikitra amin’ny hitsiko ka hampivoatra mora foana ny ambetimbetim-piainako !

Tsy mino aho fa misy hery ankoatra ny aina izay hananako sy ny saina ho ranitiko hampivoatra ny tontoloko

Tsy mino aho fa misy lalana soritam-bintana any an-danitra na sinoritra ao am-boky ka hamaritra ny diako ho amin’ny tsy azo ihodivirana !

Tsy mino aho fa hisy teny sy voambolana matavy toriana ambony vavahady nefa tsy arahin’asa ka hanondraka ny soa (…)” Misarika ny olona tsy handray andraikitra ny fianteherany amin’ny hery hafa. Tsy mba manosika azy hiezaka mantsy izany, fa mahatonga azy hanantena fahagagana hampandroso mora foana ny fiainany. Mampihena ny risi-pony hiezaka hanatratra tanjona ihany koa. Manantena harem-be tsy hisasarany akory, “hampivoatra mora foana ny ambetimbetim-piainako” hoy ny tononkalo. 182

Noho izany, mitaona ny olona mba tsy hinohino foana i HEMERSON. Aminy, zava-dehibe ny fampiasana ny “aina” sy ny “saina” ao amin’ny tena, hoentina “mampivoatra ny tontolo”. Ny finoana be fahatany ny fisian’ny lalana efa voasoritra any an-danitra “soritam-bintana any an-danitra”, miampy izay voalaza ao amin’ny Baiboly, dia ambaran’ny mpanoratra, fa samy manimba ny hasina maha olombelona, “manan-tsaina azo ranitina”. Aminy, tsy ireny velively no tokony hamaritra ny lalam- piainan’ny olona ho amin’ny “tsy azo hihodivirana” na ialàna. Miankina amin’ny ezaka ataon’ny tena ny fanatsaràna ny fiainana. Tsy azo atao ny miantehitra amin’ny finoana, ka manilika amin’ny hafa ny tsy fahombiazana miseho. Zava-dehibe ihany koa ny fikirizana hoenti-manatratra tanjona iray. Tsy hampiova na inona na inona amin’ny asa tokony hatao mantsy ny toriteny na “voambolana matavy, toriana ambony vavahady”, fa ilaina hatrany ny asa mafy mba “hanondraka ny soa” ho an’ny tena. Miteraka tsy fandrosoana mihitsy izany ny fianteherana amin’ny hery hafa. Maro ny tononkalo maneho izany. Indreto ohatra vitsivitsy :  Ohatra voalohany : fitatao vody hifehezam-bahoaka ( VA, lah : 60, tak : 89 ) “(…) Dia eto isika izao mamisavisa tody manantena hery miafina hitondra vahaolana

Dia mbola eto foana mimenomenon-dava mameno teny ratsy ny banga tsy hay totorana (…)”  Ohatra faharoa : fiaraha-mionona ?!!! ( VA, lah : 57, tak : 80 ) “(…) Hiantso hatezerana sa hihika am-peo mangina izay tody tsy hidoboka ? 183

(…)”  Ohatra fahatelo : maty mitsangana ( VA, lah : 105, tak : 148 ) “(…) Ny Razana ela nandrandraina tsy hifoha hisolo velona ka matesa raha tsy hahasaky hitsoka antsiva anaty zavona milevena an-kibon’ny alina raha hisitri-belona ao an-johy”  Ohatra fahefatra : miandry hono fa gasy ! ( VA, lah : 84, tak : 121 ) “mandry miandry miandry foana seran’ora sy fotoana hihatsaran’ny zava-misy hiavian’ny tsy ampoizina (…) Andraso eo i Paoly !!!”  Ohatra fahadimy : anjara hoe e ? (VA, lah : 142, tak : 197 ) “(…) Tsy vintana, tsy anjara no mamariparitra izay ho diavintsika fa eritreritra mifoha samborina any am-bohoka vinavina hambolena eny an-tendro-nofy” Araka izany, miezaka ny mpanoratra mampahafantatra sy mampianatra ny olona amin’ny tsy tokony hanankinana ny fiainana amin’ny “vintana” sy ny “anjara”. Zava-dehibe, hoy izy, ny fahatongavan-tsaina “eritreritra mifoha” mahatsapa fa tsy mendrika amin’ny maha olombelona ny toe-java-misy iainana. Mila fanefena olom- 184 baovao sy fiarahamonina vaovao mihitsy izany, ka hatomboka hatrany amin’ny zaza vao torontoronina, “samborina any am-bohoka”, hoy ny mpanoratra. Toa tsy dia manantena ny hiovan’ny ankehitriny intsony i HEMERSON, ka ny fibanjinana ny hoavy sisa no tena imasoany. Ndeha àry hirosoana lalindalina izany soso-kevitra aroson’ny mpanoratra izany.

III-3-1-2- ny soso-kevitra aroson’ny mpanoratra manoloana ireo Manoloana izany olana mitranga izany, dia miezaka ny mpanoratra manolotra soso-kevitra enti-manatsara ny fiarahamonina misy ankehitriny. Mivoy sy manangana kolon-tsaina vaovao mifanaraka amin’ny maha olombelona manan-tsaina, ary hanoherana ny tsy rariny miseho. Manentana ny olona hivondrona, ho tonga saina, ary hanangana ny ho avy izy. Tsy tokony ho zavatra nalaina tahaka ireny lalàna ireny, fa mba hifanaraka amin’ny toe-tsain’ny olona. Hoy ny mpanoratra : “(…) mba ny lalàna mifehy an-dry Ramala, dia tena mifanaraka aminy ary ekeny ho rafitra mitàna ny firaisany amin’ny Ramala rehetra !”127. Maro koa ireo soa toavin’ny Malagasy nifehezany ny fiainany fahizay. Anisan’ireny ny fihavanana, ny tsiny, ny tody, sns. Nilamina sy nizotra tsara ny fiarahamonina nofehezin’ireny. Izany indrindra no nonofinofisin’i HEMERSON mba hiainana indray eto amin’ny fireneny. Hoy izy ao amin’ny nofiko hono leitsy ( VA, lah : 59, tak : 86 ) “Misy nofy atoandro ela niforetana mety ho tra-maraina … toy izany indrindra ilay nofinofiko alina, raha tsy hoe omaly

Nofiko hono mantsy ianao ry fireneko tsy sasa-miandry intsony andian’olom-banona

127 Tambazotran-tserasera facebook 09-12-2015 185 mivakam-balahara sy vondron’olombelona efa vaky atatra mamisavisa lalina ny dindon’ny tantara hananganana ny ho avy

Nofiko mihitsy ianao ry fireneko mifoha indray maraina manisy sira vaingany ny tsiny sy ny tody fanidy fahizay

Nofiko hono leitsy rindram-pirenena manangana ho harena ny angovo tsy hita poka entin’ny vahoakany ka ny rarim-pihavanana tsy laroina rora no tena sori-dalana mamaritra olombelona

Nofiko ihany koa teti-pandrosoana sinoran-tsinga maro tamin’ny trangam-piainany fa tsy nalahadahatra voangory fotsy vody na nody nofotsiana mamisavisa lavitra 186 kajy norariana hampitombo ho efatra ny efatra eo an-tanany (…) Nofy foana leitsy ilay tontolo kanto manangana ny fatratra ho tanjona hifikirana ka ny rindra hatsaraina sy ny gadona ampiasaina dia hifàka sy hifototra amin’ny hasina hatsangana ho hasin-tsoa-toavina (…)” Maro ny vahaolana aroson’ny mpanoratra hoenti-manangana indray ny firenena. Miainga amin’ny fanovàna ny toe-tsaina izany. Tsy tokony hifampiandriandry ny olona, fa samy handray andraikitra amin’izay tandrify azy. “Tsy sasa-miandry intsony, andian’olom-banona”, hoy ny mpanoratra. Mandinika sy maka lesona amin’ny tantara ihany koa, ary avy amin’izany no hanatsoahana lesona “hananganana ny ho avy”. Tazonina sy hiainana hatrany ny kolontsain’ny Razana, izay hita fa nahasoa. Ilaina ihany koa ny fananganana kolon-tsaina vaovao hifanarahan’ny rehetra. Volena ao anatin’ny Malagasy indray ny tahotra ny “tsiny” sy ny “tody”. Ireny no ambaran’i HEMERSON, fa “fanidy” teo amin’ny fiainan’ny fiarahamonina malagasy fahizay. Izany hoe : arofanina nisakana azy ireo tsy hanao ratsy. Havaozina ny fomba fitantanana ny fiarahamonina, ka ny vahoaka no ho “angovo” fototra ampiasaina hampandroso ny firenena. Kolokoloina ny vahoaka mba tsy ho bado, ka ho lasa fitaovana sy ho tohatra fiakarana fotsiny. Ajanona ny fihatsaram-belatsihy, ary hampanjakaina eo amin’ny fiarahamonina ny “fihavanana”; tsy amin’ny resaka atao fotsiny, fa tena iainana mihitsy. Izany no ambaran'ny mpanoratra fa “mamaritra ny atao hoe olombelona”. 187

Asiana sivana ny karazam-pandrosoana ampidirina eto Madagasikara, ka izay mifanaraka amin’ny “trangam-piainana” no atao ho laharam-pahamehana. Atsahatra ihany koa ny fakàna hevitra sy ny fangatahana fanampiana amin’ny vahiny na ny “voangory fotsy vody”, hoy i HEMERSON. Izy ireny mantsy dia tsy mba mijery afa- tsy ny tombontsoany, ka “manao kajy mba hampitombo efatra ny efatra eo an- tanany”. Omena lanja ihany koa ny mpamorona, sy ny asa famoronana, mba handrafetana soa toavina vaovao “mifàka sy mifototra” amin’izay maha izy azy ny Malagasy. Antitranterin’ny mpanoratra hatrany koa ny maha zava-dehibe ny fahatsapan- tena sy ny fandraisan’ny tsirairay andraikitra amin’izay tandrify azy. Hoy i HEMERSON : “andao handray kofafa sy fisoroka handiovana tanàna, dia iarahana mijery ny tontolo rehetra iombonana : ny didy aman-dalàna avadika ho dina hifampifehezana isam-paritra misy olo-miaina ! Haverina ny asa vadi-drano herinandro isam-bolana, handraisana an-tanana ny fanajariana foto-drafitr’asa ! Angady sy sobika no ilaina, dia sandry be dia be, ary saina resy lahatra fa antsika marina no isikinantsika fonitra! … Averina ny vary iray venty isan’olo-miaina, ary helohina ho faty ny fanodikodinam-bola iombonana … Ajanona miaraka amin’ny vava miteny ny fangatahana, izay tsy mampitombo afa-tsy ny harin-karena faoben’ny mpanao sonia …” Izany rehetra izany no mitarika ny mpanoratra hiroso amin’ny fananganana fiarahamonina vaovao mahafinaritra. ‘Ndeha hojerena ny paika arosony hanatrarana izany.

III-3-2- ny nofinofy hanangana fiarahamonina vaovao sy mahafinaritra Samy manana izay mba nofinofiny hoenti-manatsara ny fiainany ny isam- batan’olona. Ireny eritreritra ireny no manosika azy hanatratra tanjona mazava. I HEMERSON koa dia manana nofinofy midadasika be ao an-tsainy, mahakasika ny rafi-piarahamonina tiany hajoro eto Madagasikara. Hoy izy : “araka ny eritreritro, i Madagasikara dia nosy tokony ho sambatra indrindra manerana izao tontolo izao, satria manana tany midadasika, ny olona tsy dia mbola azo lazaina ho betsaka, ny harena tsy hita noanoa, na an-dranomasina, na ankibon’ny tany, na an-tanety, sns mbola tsy voatrandraka ny ankamaroany. Ankoatra izany, miaina amin’ny vanim- 188 potoana mihiratra indrindra amin’ny teknôlôjia avo lenta isan-karazany. Fanoitra hoenti-mandroso avokoa izany rehetra izany.128 Ireto ny vinavina apetraky ny mpanoratra hanatratrarany ny tanjony amin’ny fananganam-pirenena : - hifikitra sy hitodika amin’ny tena zava-misy eo amin’ny tanindrazany ny Malagasy ; - hahavelon-tena ny fiarahamonin’ny Malagasy ; - hanome lanja ny asa famoronana ny Malagasy.

III-3-2-1- hifikitra sy hitodika amin’ny tena zava-misy eo amin’ny tanindrazany ny Malagasy Anisan’ny vinavina goavana voizin’i HEMERSON ny nofinofy mba hiparitaka sy hanenika an’i Madagasikara manontolo, ny Malagasy rehetra. Samy hanana ny anjara tany hivelomany ny tsirairay, fa tsy hitangorona fotsiny eto an-drenivohitra. Hoy izy : “Ramala a ! Ny nofy samy manana ny azy, hoy ianao … Tsy misy mihitsy izany ny azo iraisana ? Ohatra hoe : ny Ramala isanisany, dia mba manana ny zara- tany ivelomany sy mamelona azy, fa tsy ho tandindomin-doza isan’andro ampiandrasana Emmoreg karamain’ny Filatex handrodana sy hidaroka mba ho fandroahana !!! (…)”129.

Manjaka ny fifindra-monina miakatra aty an-tanàn-dehibe. Miala amin’ny tanindrazany ny olona, ary mitangorona sy manorim-ponenana tsy zarizary aty an- drenivohitra. Tsy mba manana ny anjara tany ampy mahavelona azy mantsy ny mponina any ambanivohitra. Mazàna, tany kely nolovaina tamin’ny Razam-be, ary efa ifampizaran’ny taranaka maro no hifandroritana. Tsy mba zaraina ho an’ny Malagasy ny tany midadasika eto Madagasikara. Tsy mahavelona ny olona intsony ny anjara taniny, ka tsy mahagaga izy raha mifindra fonenana aty an-drenivohitra, ary mitady fivelomana hafa. Mibaribary ihany koa anefa ny tsy fisian’ny asa, hany ka mirongatra ny asa ratsy toy ny fivarotan-tena, ny fangalarana amin’ny endriny rehetra, ny fisolokiana, ny fivarotana manerana ny sisin’ny arabe, sns. Maneho ny fahantrana iainan’ny Malagasy avokoa ireny rehetra ireny. Rehefa miala amin’ny tany ny olona,

128 Resadresaka ny 14-04-2016, 09 ora, Tahala Rarihasina 129 Tambazotran-tserasera facebook, 09-12-2015 189 dia mahantra ny firenena. Hoy ny mpanoratra ao amin’ny fiaraha-mionona ?!!! ( VA, 57, tak : 80 )

“(…) Fa tany mangidy lavitry ny vina, olona farofy mandrezatra alahelo no toa mameno tsena (…) Ny fehin’ny tantarany ? Tsindry maro loko sy sisosison-draha ny lovan’ny taranany ? filanjàna bingo taho iantsorohana alina vesarina ny antoandro mba hianoka sy handihy ireo mamarin-tena ho olom-panjakana mifaninana hadalàna mitingina ny avo (…)” Ambaran’ny mpanoratra eto, fa toa tsy mba manam-pidiny intsony ny Malagasy. Ny hany heriny sy ataony, dia ny mitazana izay ataon’ireo mpitondra azy. “Mionona” manoloana ny fahantrana mianjady aminy. Tsy mba manana vinavina lavitra hoenti-manatsara ny fiainany intsony. Miara-mangina manoloana ny aretina mikiky ny tontolom-piainany rehetra. Zary lasa “mameno tsena” mivarotra izay mba kely ananany havadika ho sakafo mahavoky ny kibony sisa no ataon’izy ireo. Tsy mba hitan’ireo mpitondra fanjakana akory anefa izany fahoriana mianjady amin’ny vahoaka Malagasy izany. 190

Manoloana izany, tsy mba manana zavatra tsara apetraka holovain’ny taranany intsony ny Ray aman-dReny. Ny tsindrim-piainana sy ny fahantrana mitambesatra aminy sisa no “vesariny” marain-tsy hariva. Ny olona efa manan-karena eo amin’ny fitondrana hatrany mantsy no tovonana, fa tsy mba misy ny fijerena ny fiainan’ireo vahoaka madinika. Eto dia manolotra soso-kevitra ny mpanoratra mba hijerena ny eny ifotony, ary eny no iaingana amin’ny fampandrosoana ny firenena. Hoy izy ao amin’ny nofiko, hono, leitsy ( VA, lah : 59,tak : 86 )

“(…) Nofiko eny foana tsangan-jaza gasy manaiky an-tsora-po handeha hanadihady ny tena zava-misy ka hijery ifotony ny olona mitranga mba hisy soso-kevitra hisonga ho tetik’asa (…)” Amin’ny mpanoratra, ilaina ny fitsinjaràna ny andraikitra mba hiparitaka amin’ny vahoaka na ny fokonolona. Io no rafitra sy paika tokony harahina raha te handroso. Tsy havangongo ho an’olom-bitsy any an-tampony ny fahefana. Jerena ny any ifotony, ary raisina ny hetahetan’izy ireo ; angonina ny “soso-kevitry” ny olom- pirenena rehetra, ary izany no hoenti-manangana “tetikasa” hampandrosoana marina ny firenena. Amin’i HEMERSON, dia izany no adidy tokony hotanterahin’ireo mpitondra fanjakana raha te hampandroso ny tanindrazany izy ireo. Hoy ihany ny mpanoratra : “(…) Ary ny mpitondra an-dry Ramala, dia tena ho mpiasam-bahoaka manana adidy sy andraikitra amin’izay handraisany karama, fa tsy hoe Andriamanitra latsaka an-tany, ka manao izay tiany hatao amin’ny fanamparam-pahefana tsy hita noanoa, satria hoe izy misora-tena ho Raiamandreny !!! …”130

130 Tambazotran-tserasera facebook, 09-12- 2015 191

Amin’ny mpanoratra, ny rafitra misy hitondrana an’i Madagasikara mihitsy no mila fanavaozana. Ao anatin’izany ny fanovàna ny toe-tsain’ny olona rehetra, na ny mpitondra na ny vahoaka. Ny valalabemandry mba tsy ho be fialonana ny hafa mitovy aminy ka hifanambaka sy hifambotry am-pitoerana, ary ny mpitondra kosa, mba hijery marina izay hanasoavany ny firenena. Raha ny rafi-piarahamonina misy ankehitriny mantsy, dia nambaran’i HEMERSON, fa firenen’ny mpisoloky amin’ny endriny rehetra sisa i Madagasikara. Izany hoe : potika tanteraka, na ny olona, na ny tanindrazana. Hoy ny tany mena, tany maina ? ( VA, lah : 56, tak : 78 )

“(…) Anio ianao torovandrovana novetaina an-dranovory nolotoina tokotany … kitanintanin’ankamehana toa mivena am-pandehanana ka mihiaka mihidy vazàna lasa tany mitaraina mikorososy ho tany ngazana (…)” Rehefa mifikitra amin’ny tany ny olona, ka misikim-ponitra manatsara ny tanindrazany, dia hahavelon-tena ny fiarahamonin’ny Malagasy. Hojerena ny vinavinan’ny mpanoratra momba izany.

III-3-2-2- hahavelon-tena ny fiarahamonin’ny Malagasy Amin’ny fiarahamonina vaovao tian’i HEMERSON hatsangana, dia ny fahaizan’ny olona tsirairay misaina no ilaina. Olombelona miaina ao anatin’ny fahafahana, manisy rafitra mazava momba ny asa, ary indrindra manisy fisainana mipetraka tsara eo amin’ny fifandraisan’ny samy olombelona, ka manaja izay heveriny ho masina ao aminy. Nambaran’ny mpanoratra mantsy, fa tena tsy mety aminy mihitsy ny rafitra misy sy iainana eto Madagasikara ankehitriny. Hoy koa ny tononkalo nofy nofosana ( VA, lah : 63, tak : 94 )

“(…) Tontolo tsy isainana 192 sarotra iainana … tontolo voretra hihandronan’ny loto hivondronan’ireto mpanao loham-boto (…)” Araka izany, firenena vaovao feno olona misaina, ary tontolo vaovao mbola hatsangana mihitsy no nonofinofisiny, ka ny tsirairay no manana adidy amin’izany. Olombelona tompona andraikitra amin’ny tenany, ary mahazaka adidy amin’ny manodidina azy, hoy izy.

Tsy ny fangatahana fanampiana avy any ivelany akory no fepetra voalohany hanatrarana izany. Hoy izy : “(…) mba ny Ramala isam-batany dia afaka manatanteraka ny iriny, fa tsy hosakanan’ny tsy fahampiana sy ny habadoana eny antenantenan-dalana ! (…) Mba ho tompona andraikitra amin’ny tenany tokoa ny Ramala isan-tsingany, fa tsy ho enta-mavesatra zakain’ny hafa ! Mba hitombo ny fatram-pahalalana ka afaka hamokatra izay rehetra ilainy ny fiarahamonin-dRamala fa tsy hiandry foana izay vokatry ny hafa !!! Mba ny Ramala tsirairay, dia afaka mampanjary izay tena nofinofiny, fa tsy very an-jevony fotsiny amin’ny famatsiana fangerena ! … Nofinofy toy izany ve tsy ho vita, hoy ianao Ramala ? …”131

Amin’ny mpanoratra, manan-jo ny hahazo tombony sy hisitraka amin’ireo harena voajanahary ao amin’ny fireneny ny Malagasy tsirairay. Amin’izany dia hamokatra izay ilainy rehetra izy, ka tsy hiandrandra fanampiana avy any ivelany, sy ho “enta-mavesatra zakain’ny hafa hatrany”. Ho tompona andraikitra amin’ny tenany sy ny fiainany manontolo izy. Ho vahoaka salama, matanjaka, mazoto, manam-panahy no monina eto Madagasikara. Ankoatra izany, olona manaja ny taniny, ny kolon- tsainy, ny teniny, sns. Miantso ny olona mba hanasongadina ny maha olona azy ny mpanoratra, mba hahafahana manatratra izany tanjony izany. Hoy ny tononkalo foana foana ? ( VA, lah : 72, tak : 107 )

“(…)

131 Tambazotran-tserasera facebook, 09-12-2015 193

Ianao nitoto foana ny foana tsisy ventiny rahoviana no hihiaka hanangana indray ilay ianao nofoanana ?” Nofoanana ny maha olona ny Malagasy, satria tsy mba navela hanana saina mahay maminavina ny hoaviny izy. Nofehezina tsy ho lasa lavitra ny nofinofiny, hany ka tafajanona fotsiny eo amin’ny filàna ara-batana, izay itoviany amin’ny biby. Tsy manome lanja ambony ny lafiny ara-tsaina ihany koa. Eto dia mikitika ny sain’ny maro ny mpanoratra mba “hanangana” sy hikaroka indray ny maha izy azy sy ny maha olona azy, ka hanasongadina izany. Indreto koa misy ohatra hafa maneho izany fanentanany ny olona izany :

 ohatra voalohany : akom-bakoka ( VA, lah : 55, tak : 76 ) “(…) Maro koa rahateo ny moana hatrany am-bohoka matin’ny onjam-piainana ka tsy manisy vidy ny omaly sy ny hoavy tsy miandrandra akory taratr’andro hisainana

Inty aho ry voniko hanjanaka ny konka hanavao ny ela am-pitrandraham-bakoka tsy vesatra ireo taona sy ela nifanaingina tsy vizana ny efa moa va hotetezina ireo lova hotrandrahina 194 sy refy tanjozotra hatsangana ho tetezana handasitra ny ampitso ?”  ohatra faharoa : efa leo ve Itena ? ( VA, lah : 58, tak : 83 ) “(…) Fahaleovantena !!! efa leo ve Itena mizaka fahafahana tsy ananganam-bina ka miandry ho zanahina sa mitetika ho zafiana amin’ny nofy vita voatra sy voakaly avy any ankoatra ?” Mba hanatrarana izany fahavitan-tenan’ny firenena malagasy izany, dia ilaina ny manefy toe-tsaina vaovao manome lanja ny mpamorona sy ny asa famoronana. Zava-dehibe mantsy ny famoronana entina manasongadina ny mampiavaka ny firenena, ary fanoitra hoenti-mandroso ihany koa izany. Hasiana teny ny eritreritry ny mpanoratra amin’izany.

III-3-2-3- homen-danja ny asa famoronan’ny Malagasy Hita fa tsy ampy ny fanomezan-danja sy ny fanolokoloana ny zava-bita eto an- toerana. Eo amin’ny fikojakojana ny tenim-pirenena, ohatra, dia tsy mba manana akory ny Malagasy na dia tranon’ny fikoloana saina iray monja aza. Ny vahiny toy ny frantsay sy ny anglisy no manana ny maro an’isa amin’izany eto Madagasikara. Ireny anefa no fomba iray anisan’ny mahomby indrindra amin’ny fampielezana ny kolon- tsaim-piarahamonina, satria ny teny dia mirakitra kolon-tsaina. Ankoatra izany, tsy fitehirizana ny fomba amam-panao fotsiny ireny, fa fanomezana sehatra ho an’ny mpamorona ihany koa. Azo anapariahana ny zava-baovaon’ireo mpamorona amin’ny sehatra rehetra mantsy izy ireny. Tsy ho samy maka ho azy sy ho araraotin’ny vahiny intsony ireo mpanao asa tanana malagasy, fa hisongadina ny tena maha izy azy sy ny zava-bitany. Hoy ny mpanoratra : “(…) dia hanangana tranon’ny fikoloana saina isaky ny toerana rehetra misy vondron’olo-miaina, ary io no hatao “fihaonana, fisera, 195 fampianarana sy fanabeazana …”. Omena sehatra ny mpamorona handroso hevitra, fomba fijery, fomba fahatsapàna, fomba fanehoana vaovao amin’ny lafiny rehetra !!! sarotra ve izany ???”132

Ny fanakianana ny rafitra rehetra ataon’i HEMERSON ao amin’ny tononkalony, dia maneho hatrany ny nofinofiny hanangana fiarahamonina vaovao manandratra ny asa famoronana, na eo amin’ny tontolon’ny zava-kanto, na eo amin’ny sehatry ny fivoizana foto-kevitra, sns. Aminy, tokony hatao fomba fiasa enti- misondrotra eo amin’ny fiainana mihitsy izany. Raha tanteraka izany rehetra izany, dia ho mora kokoa ho an’ny Malagasy ny miatrika ny fifaninanana eo amin’ny sehatry ny fanatontoloana.

III-3-3- ny anjara toeran’ny maha Malagasy miatrika ny fanatontoloana Ny fiarahamonina rehetra maneran-tany, dia tsy afaka ny hitoka-monina intsony ao amin’ny taniny, fa tsy maintsy mifanerasera amin’ny olombelona hafa noho izy. Mahazo vahana tanteraka ny fanatontoloana, izay voambolana ilazàna ny fivoarana misy eto amin’izao tontolo izao. Tsy azo ihodivirana intsony ny fidiran’ny karazana kolontsaina sy fomba amam-panao maro samihafa ao amin’ny fiarahamonina na ny firenena tsirairay avy. Anisan’ny zava-manahirana ihany anefa ny miatrika azy io, satria ireo firenen-dehibe, izany hoe ireo firenena matanjaka sy manan-karena no mitarika izany. Izy ireo no miezaka mandrirotra ireo tany madinika mba hiditra ao anatin’io fifaninanana io. Mety ho sarona tanteraka ao anatin’izany mihitsy ny maha izy azy ireo firenena andalam-pandrosoana, satria mifaninana mamokatra zava-baovao hatrany ireo firenen-dehibe ; ny mahantra kosa, mijanona ho mpanjifa ny vokatr’izy ireo fotsiny ihany. ‘Ndeha horesahina ny eritreritr’i HEMERSON momba ny mety ho fiatrehan’ny Malagasy izany :

- ny Malagasy manoloana ny firoboroboan’ny fifanakalozana iraisam-pirenena ; - ny Malagasy manoloana ny vinavina hanangana kolon-tsaina iraisan’ny olombelona rehetra.

132 Tambazotran-tserasera facebook, 09-12-2015 196

III-3-3-1- ny Malagasy manoloana ny firoboroboan’ny fifanakalozana iraisam-pirenena Mahakasika ny fiainan’ny olona tsirairay sy ny maha olona azy manontolo mihitsy ny fanatontoloana. Mahazo vahana ny fifanakalozana eo amin’ny sehatra rehetra, na ara-barotra, na ara-kolontsaina, na ara-pomba amam-panao, sns. Mifamezivezy tsy hay tohaina intsony ireo karazana entam-barotra samihafa. Manoloana izany, miezaka ny firenena maro mba hamokatra zava-baovao hatrany ho enti-miatrika ny fifaninanana eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, mba hanasongadinany ny maha izy azy. Anisan’ny firenena mpanjifa vokatra ao anatin’izany koa i Madagasikara. Olana tsy hahatafidiran’ny Malagasy ao anatin’io sehatra io, ny tsy fanomezan-danja ny asa famoronana sy ny toe-tsaina mihidy ananan’ny olona. Eo ohatra ny fifikirany be fahatany amin’ny lasa. Amin’i HEMERSON mantsy, ny “lasa” no amaritan’ny Malagasy ny maha izy azy. Tsy mifanaraka amin’ny vanim-potoana iainany ankehitriny intsony anefa io famaritany ny maha Malagasy azy io. Noho izany, tokony hahay hivelatra amin’ny fanatontoloana ny fomba arahina. Ilaina ny fananganana soatoavim-piarahamonina vaovao mifanaraka amin’ny toe-java-misy amin’ny vanim-potoana iainana, ary mifanaraka amin’ny fanatontoloana. Hoy ny mpanoratra mitsikera izany toe-tsain’ny Malagasy tia mitodika amin’ny lasa izany, ao amin’ny foana foana ? ( VA, lah : 72, tak : 107 ) “(…) Ankona fa embona no sisa am-pelatanana ka maniry ny hitampody amin’ny lasa tsara valona maniry foana foana ny hiverenany eto androany ka nailika ny ngidiny nampandoa taloha … (…)” Hoy koa ny mpanoratra ao amin’ny ariary zato hampandriana ( VA, lah : 75, tak : 110) 197

“(…) Sarisary novolaina nolovaina tamin’ny lasa no entina mihirahira hiatrehana ny anio efa hafa mari-drefy (…)” Ankoatra ny toe-tsaina tia mifantoka amin’ny lasa, mbola maro koa ny antony tsy ahafahan’i Madagasikara miditra tanteraka ao amin’io sehatra io. Na dia manana harena voajanahary betsaka aza mantsy isika, dia mbola tsy voatantana sy voatrandraka tsara mba hitondra tombontsoa ho an’ny maro izy ireny. Hoy ny tononkalo ( VA, lah : 74 ) “(…) Andramena ? na ndramena na ndramanga na ndramavo na ndramainty andran’horo hotohoton’andra kila nandra maro loko nandra zato heny fa nandra miandrandra harena tsy hikandrana (…) » Anisan’ny hazo sarobidy mampiavaka an’i Madagasikara, ny andramena. Tsy voatantana amin’ny tokony ho izy anefa ny fitrandrahana azy io, satria manjaka ny mpanao varo-maizina, ka manondrana izany ho tombontsoany manokana. Ny mpanararaotra no tena mahazo vahana, raha ny momba ireo harena voajanahary ananan’ny Malagasy no resahina. Saika isan’andro mantsy dia ahenoana hatrany ny fahatratrarana azy ireny aondran’ny sasany an-tsokosoko. Ambaran’ny mpanoratra eto, fa ireo olona tsy mahay mionona amin’ny efa eo am-pelatanany, fa te ho 198 mpanankarena tampoka amin’ny tsy nisasarany no mpanao izany. Ireo “nandra miandrandra harena tsy hikandrana”, hoy izy. Ireo olona adala tsy mba mieritreritra akory fa ny haren’ny fireneny fireneny anie io aondrany io. Anisan’ny olana tsy ahafahana mifaninana ao anatin’ny fanatontoloana koa ny tsy fahaiza-mamorona fitaovana tekôlôjika avo lenta, toy ny ataon’ireo firenen-dehibe. Ankoatra izany, tsy mitsaha-mitotongana ny sandam-bola malagasy. Tsy misy lanjany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena mihitsy mantsy ny “ariary”. Hoy i HEMERSON ao amin’ny ariary zato hampandriana ( VA, lah : 75, tak : 110 ) “(…) Ry ariary mitotongana na zatoina ho arivoarivo na ho hetsiana an’alinalina mbola nofy no entinao nefy nofy babangoana mijanona ho nofy foana … Angano angano ! Arira arira ! Ariary tsy asiana sira !” Ny tsy fahaiza-mitantan’ireo mpitondra no anisan’ny mahatonga ny fahantran’ny Malagasy. Tsy mbola matotra ara-pôlitika mantsy ireo mpitondra ireo, hany ka tsy misy paika mazava akory itantanany ny firenena. Hoy ihany ny mpanoratra ao amin’ny efa leo ve Itena ? ( VA, lah : 58, tak : 83 ) “(…) Ry nandra no mpandova najifa ireo tamby navelan’ny taloha nariany ny hafa-drainy nohoseny ny hasin-dreniny (…)” Eto dia ambaran’i HEMERSON, fa tena olona adala tsy misaina ny mpitondra. Toa tsy ahoany akory ny hafatr’ireo raiamandreny teo aloha ny amin’ny tokony 199 hitandrovana mandrakariva ny hasin’ny tanindrazana. Ataony maso voatoto-tany izy ireo. Marina fa eo izany tsy fahaiza-mitantana sy fitiavan-tena ary ny hakelezan’ny sain’ireo mpitondra izany, kanefa manana andraikitra lehibe koa ny tsirairay amin’ny fanarenana ny firenena. Raha ny zava-misy iainana ankehitriny no jerena, mety hiteraka fiankinan- dohan’ny Malagasy amin’ireo firenena matanjaka amin’ny lafiny rehetra io fanatontoloana io. Raha tsy mailo mantsy isika, dia ho potika tanteraka ny fiarahamonina, noho ny fandrosoana tsy voasivana. Gaboraraka ny fanaraha-maso ny fivezivezena eo amin’ny olona sy ny entana, ka mirongatra ny asa ratsy. Anisan’izany ny asa fivarotan-tena, ny fizahan-tany mamoafady, ny fivarotana zava-mahadomelina, sns. Tsy ny fampiroboroboana ny fifanakalozana ihany anefa no tanjona voizin’ny fanatontoloana, fa eo indrindra koa ny vinavina hanangana kolontsaina iraisan’ny rehetra. Hojerena ny momba izany.

III-3-3-2- ny Malagasy manoloana ny vinavina hanangana kolon-tsaina iraisan’ny olombelona rehetra Tahaka ny fiarahamonina rehetra maneran-tany, dia manana ny kolontsaim- piarahamoniny ihany koa ny Malagasy. Rehefa mifamezivezy ao anatin’ny firenena iray anefa ny karazana olona samihafa avy amin’ny firenena maro, dia mifangaro ny kolon-tsaina. Eo no tandinomin-doza ny Malagasy satria noho ny fampahalalam- baovao atobaky ny haino aman-jery samihafa, sy ny firoboroboan’ny fampiasana ireo tekinôlôjia vaovao, dia mety hisy kolontsaina tsy mifanaraka velively amin’ny kolontsaina malagasy aza, tafiditra eto. Raha nolalain’ny Malagasy fatratra ohatra, ny fihavanana sy ny firaisan-kina, dia misy mikendry ny hanapotika izany, ka manao izay hisian’ny adim-poko. Ny tsy hitovian’ny mponina avy amin’ny faritra samihafa amin’izany no arangarangany, fa tsy izay iraisany. Hoy ny mpanoratra ao amin’ny efa leo ve Itena ? ( VA, lah : 58, tak : 83 ) “(…) Mihantsy adim-poko mandranitra haromotana ry Rehodreho-poana 200

(…) Dia tohizany hoe : (lah : 91) “(…) Mikobana mandrovitra mandrotika … mikiry hatrany hatrany mba handamoka ifotony izay mety hiraisantsika”

Koa tokony ho mailo ny Malagasy manoloana izany. Ho mailo mba tsy ho difotra ao anatin’ny fanatontoloana.

Raha aravona izany, maromaro ny paika aroson’i HEMERSON hidirana ao anatin’ny fanatontolona. Eo aloha ny fanamafisana izay heverina ho maha Malagasy mifanaraka amin’ny vanim-potoana ankehitriny, avela kosa ireo hita fa tsy mifanaraka amin’ny maha izy ny firenena ; zava-dehibe koa ny fahaizana manivana sy mandray izay fandrosoana sy zava-baovao mifanaraka amin’ny soatoavim-piarahamonina malagasy.

201

FEHIN’NY FIZARANA FAHATELO Ny fizarana lehibe fahatelo tamin’ny asa, dia naompana tamin’ny fandalinana ny fironan’ny tononkalon’i HEMERSON amin’ny fanatsaràna sy fampivoarana ny maha olona.

Tao amin’ny toko voalohany no nanasongadinana, fa dingana iray amin’ny fikatsahan’ny mpanoratra ny fanatsarana ny tontolon’ny maha olombelona ny fanamafisana ny “maha singa” miavaka ny isam-batan’olona. Novahavahana tao ny ankapobeny momba ny famaritan’ny mpanoratra ny atao hoe : olombelona, noresahina manokana ny momba ny tontolom-panahy ao aminy, ary nojerena ny endrika isehoan’ny fikatsahana ny maha singa ao amin’ny tononkalo.

Nasiana teny tao amin’ny toko faharoa, fa ny fampivelarana ny maha olona feno sy manontolo ny tsirairay, dia mitondra harena ho an’ny maro. Noresahina tao anatin’izany ny andraikitry ny “singa” amin’ny fanasoavana ny maro, ny fanentanana ny vahoaka hiombona, ary noporofoina ihany koa, fa lalan-tsaina iombonan’i HEMERSON amin’ireo mpanoratra rômantika izany.

Tao amin’ny toko fahatelo no nanehoana ny nofinofin’ny mpanoratra hanangana rafi-piarahamonina vaovao iombonan’ny Malagasy. Novahavahana tao ny nofinofiny mipàka amin’ny olombelona tsirairay, sy ny nofinofiny hanangana fiarahamonina vaovao mahafinaritra, ary ny tokony ho anjara toeran’ny maha Malagasy miatrika ny fanatontoloana.

202

TENY FAMARANANA Ety am-pamaranana ny asa, dia ampahatsiahivina, fa ny literatiora an-tsoratra no niompanan’ny fanadihadiana natao. Nifototra indrindra tamin’ny fandalinana ny tononkalon’ANDRIANETRAZAFY HEMERSON, ka ny nodinihina tamin’izany, dia ny fironan’ny tononkalony amin’ny andrana fanatsarana ny maha olona. Araka izany, nampitondraina ny lohateny hoe : NY TONONKALON’I HEMERSON ANDRIANETRAZAFY, MIRONA AMIN’NY FIKATSAHANA SY FAMPIVOARANA NY MAHA OLONA, ity asa fikarohana natao ity.

Antony maro no nandresy lahatra anay hirotsaka teo amin’io sehatra io. Teo aloha, ny fitiavana ny literatiora sy ny fahalianana tamin’ny fikirakirana asa soratra. Teo amin’ny mpanoratra nosafidiana ihany koa, dia maromaro ny antony nanosika anay. Anisan’izany ny fahavelomany, satria heverina fa hanampy amin’ny famantarana ny tena marina momba azy izany. Ankoatra izany anefa dia hitanay, fa mpanoratra efa voasivan’ny vanim-potoana maromaro i HEMERSON, koa araka izany dia efa nahatety vanim-potoana samihafa ny asa sorany. Mpanoratra mbola tsy nisy nanao asa fikarohana ihany koa izy, kanefa hita fa tena manana ny mampiavaka sy ny maha izy azy. Manampy izany rehetra izany ny fankafizanay ny asa sorany hatramin’ny fotoana nahafantaranay azy.

Kendrena amin’izao asa izao, ny hampahalala bebe kokoa an’i HEMERSON, mpanoratra sy ireo asa sorany, indrindra ny tononkalo. Tanjona ihany koa ny hampitombo ny akora azon’ny mpampianatra ampiasaina, eo amin’ny sehatry ny fampianarana sy ny fanabeazana, indrindra any amin’ny lisea. Eo koa ny hanabe voho ny literatiora sy hanatevina ny tahirin-kevitra efa misy, momba ny literatiora an- tsoratra.

Tsapa mantsy, fa misy ny olana eo amin’ny fiheveran’ny olona momba ny literatiora. Mazàna tsy hitan’ny olona akory ny tena zava-dazain’ny mpanoratra ao anatin’ny asa soratra. Variana amin’ny endrika ivelany fotsiny izy ireo. Raha toa anefa ka mba voahitsy izany toe-tsaina izany, dia hisy vokany tsara eo amin’ny fiainan’ny fiarahamonina sy ny firenena ny asan’ireo mpanoratra. Hivoatra sy handroso ny toe- tsain’ny isam-batan’olona. Noho izany, anisan’ny tanjona tratrarina amin’izao asa izao 203 koa ny handresy lahatra ny mpamaky ho tia sy handinika kokoa ny lanjan’ny literatiora, ary hanitsy ny fiheveran-dison’ny olona momba izany.

Nandalo dingana maromaro ny fanatontosana izao asa izao. Teo aloha ny firesahana tamin’ny mpanoratra, izay namborahana ny hetahetanay taminy ny amin’ny hikirakirana ireo asa sorany. Rehefa vita izany, dia niroso nanangona ireo vainga iasana izahay, ary niara-dalana tamin’izany ny fitadiavana ny lohahevitra hotrandrahina. Taorian’izany no nananganana ny drafitra vonjimaika sy namakiana ireo boky teôrika. Nihaona matetika tamin’ny mpanoratra hatrany izahay tao anatin’izany rehetra izany. Natomboka ihany koa ny fandrafetana ny asa, ary tamin’izany, dia niara-niasa betsaka tamin’ny mpampianatra nitan-tsoroka anay hatrany izahay.

Maro anefa ny olona nosetraina nandritra izany rehetra izany, ary niezaka hatrany koa izahay nitady vahaolana. Teo ny tsy fahampian’ny tahirin-kevitra tokony hovakina, ny any herinay, niditra ho mpikambana tany amin’ny tranom-boky maro samihafa. Tsy izany ihany anefa, fa nanano sarotra ihany koa ny fifandraisana tamin’ny mpanoratra, noho ny adidy amana andraikitra maro sahaniny ; teo koa ny tsy fahasalamany teny an-tsefatsefany teny. Na teo aza anefa izany, dia niezaka nandray anay hatrany izy, mba tsy hampikatso ny asa. Vahaolana noraisina koa ny famonjena ireo famelabelaran-kevitra samihafa notanterahin’ny mpanoratra entina manampy ny resadresaka ifanaovana aminy. Teny antsefatsefany teny dia tsy tapaka nampiasa ny fitaovan-tserasera samihafa, toy ny finday sy ny tambazotran-tserasera “face-book” izahay, nentina nifandray tamin’ny mpanoratra.

Ny haitsikera ara-tantaram-piainana no tena nilafihana nandritra ny fananganana ny asa. Izy io dia lalan-tsain-dry SAINTE-BEUVE sy TAINE, izay mampifamatotra ny tantaram-piainan’ny mpanoratra sy ny asa soratra. Ankoatra izany, nampiasaina ihany koa ny lalan-tsain-dry WELLEK sy MARREN, dia ny haitsikera ara-piarahamonina izany. Na dia misy ifandraisany tokoa aza mantsy ny fiainan’ny mpanoratra sy ny asa sorany, dia tsy azo lavina, fa mitatitra sy miresaka ny zava-misy ara-piarahamonina ihany koa ny mpanoratra.

Araka izany, tsy hahasahana manontolo ny fifandraisan’i HEMERSON amin’ny tontolon’ny zava-kanto akory ity asa ity. Tsy nasiana teny mantsy ny 204 mahakasika ny maha mpanosodoko sy mpiangaly ny sary sikotra azy. Ny tononkalo no tena nifantohana betsaka, na dia hita aza, fa mifamatotra ny lohahevitra voiziny, na eo amin’ny asa soratra, na eo amin’ny fanaovan-tsary. Mbola betsaka ny sehatra azo trandrahina ao amin’ity mpanakanto ity. Anisan’izany, ohatra, ny fandalinana sy ny fampifandraisana ny tontolon’ny soratra sy ny sary ao aminy, sns. Noferana ho ny fandalinana momba ny fironan’ny tononkalony amin’ny fanatsarana sy ny fampivoarana ny maha olona no natao teto. Inoana sy antenaina anefa, fa mbola hisy ny mpikaroka hafa, na koa ireo zandry hanohy sy hanatevina izao asa natombokay izao.

Nanaraka drafitra mazava izahay teo am-panatontosana ny asa. Fizarana telo lehibe no nandrafetana azy, ary izy ireo dia samy mitondra toko telo isan’isany avy. Tao amin’ny fizarana voalohany no nanolorana ny tantaram-piainan’ny mpanoratra. Nampahafantarina tamin’izany ny tanjozotra ara-pianakaviana nipoirany sy nanefy azy ; teo ny fampahalalana ny fianarana sy fiofanana samihafa nataony ; ary nasiana teny tamin’izany koa ny fifandraisany amin’ny tontolon’ny kanto. Tao amin’ny fizarana lehibe faharoa no nandinihana ireo tononkalon’ny mpanoratra, ka navoitra tamin’izany ny hevitra ankapobeny voiziny ao, ary natodika tamin’ny fikatsahany ny maha olona hatrany izany. Nozaraina vanim-potoana telo lehibe io, ka tao amin’ny toko voalohany no niresahana ny vanim-potoana andrana sy indrana teo aminy (1970- 1977), ny toko faharoa no namahavahana ny vanim-potoanan’ny firafetan-tsaina tanteraka teo amin’ny mpanoratra (1978-…), tao amin’ny toko fahatelo no nijerena ny fironany tamin’ny tononkalo miandàny na ny fitatao vody hifehezam-bahoaka (2000- …). Ny fizarana fahatelo farany, no nandalinana ny fironan’ireo asa soratra amin’ny fikatsahana sy fampivoarana ny maha olona, ka nojerena tao ireo paika arosony hanatrarana izany. Eo aloha ny fanamafisana ny “maha singa” ; io fanabeazana ny tsirairay io dia mitondra harena ho an’ny maro ; mipàka amin’ny nofinofim- pananganana maha Malagasy iombonana izany.

Ekena fa tsy tonga lafatra izao asa izao amin’ny maha andram-pikarohana azy. Tsapa mantsy fa mikavihavia izahay, na teo amin’ny firotsahana an-tsehatra, na teo amin’ny fanatontosana ny asa, indrindra fa teo amin’ny fandrafetana. Na izany aza anefa, mety hitondra anjara biriky amin’ny fanatevenana ny tahirin-kevitra ampiasaina ihany ity asa ity. 205

FINTINA Nifantoka tamin’ny fandinihana ny tononkalon’i HEMERSON ANDRIANETRAZAFY ity asa fikarohana ity. Ny lalan-tsain-dry SAINTE-BEUVE sy TAINE no narahina tamin’izany. Amin’izy ireo dia miainga amin’ny fahafantarana ny tantaram-piainan’ny mpanoratra ny fanazavana ny asa soratra. Nampitondraina ny lohateny hoe : “ NY TONONKALON’I HEMERSON ANDRIANETRAZAFY MIRONA AMIN’NY FIKATSAHANA SY FAMPIVOARANA NY MAHA OLONA” ny asa. Ahitana fizarana telo lehibe ny boky. Natolotra tao amin’ny fizarana voalohany ny tantaram-piainan’ny mpanoratra ; nojerena tao amin’ny fizarana faharoa ny ankapobeny momba ny asa sorany ; nohalalinina tao amin’ny fizarana fahatelo ny fironan’ny mpanoratra amin’ny fanatsarana sy fampivoarana ny maha olona.

206

RESUME Notre travail se base surtout sur la recherche a propos dans les poèmes de HEMERSON ANDRIANETRAZAFY. Nous avons appliqué l’approche biographique de SAINTE-BEUVE et de TAINE, dans notre étude. Cette approche se fonde surtout sur la mise en relation des œuvres littéraires et la biographie de l’écrivain. Ce qui nous a incité à donner le titre : « NY TONONKALON’I HEMERSON ANDRIANETRAZAFY MIRONA AMIN’NY FIKATSAHANA SY FAMPIVOARANA NY MAHA OLONA ». Notre travail se divise en trois parties. La première se focalise sur la biographie de l’auteur ; deuxiémement, la recherche approfondie sur la généralité des œuvres ; et la dernière parti, l’analyse fondé sur l’amélioration de l’orientation humaine.

207

ABSTRACT Our research was based on HEMERSON ANDRIANETRAZAFY’s poems. We worked with SAINTE-BEUVE’s and TAINE’s theories about the link between literature and the writer’s way of living and thinking from which we entilted this research “NY TONONKALON’I HEMERSON ANDRIANETRAZAFY MIRONA AMIN’NY FIKATSAHANA SY FAMPIVOARANA NY MAHA OLONA” – [Carrying out improvement to human condition through HEMERSON ANDRIANETRAZAFY’s poems]. This book involves three main parties. Where we first, speak about the history of this particular writer. In the second part, we talk about the globality of this writing. And in the third part, we enhance his aim to ameliorate human condition through his writing.

208

IREO TAHIRY NANOVOZAN-KEVITRA RAKIBOLANA Dictionnaire Petit Larousse Illustré, Imp. 1973 HERISSEY, éd 1974, France, 1800p

ABINAL (RP) et MALZAC (RP) Dictionnaire Français-Malagasy, éd 1968 Maritimes et d’Outre Mer, imp Hermmerlé Petit et Cie, Paris, 860p

RAJEMISA RAOLISON (R) Rakibolana malagasy, imp catholique 1995 Ambozontany Fianarantsoa, 1061 tak

RAVELOJAONA sy ny NAMANY Firaketana ny fiteny sy ny zavatra Malagasy, boky I sy II litera A-M, imp industrielle Antananarivo

BOKY AMIN’NY TENY FIRANTSAY ANDRIANETRAZAFY (H), La peinture malgache des origines à 1940, éd Foi et Justice, Tananarive, 130p (publication allégée du mémoire de maîtrise soutenu en 1989)

CALVET (J), Petite histoire de la littérature française, éd J. De GIGORD 15, rue Cassette, Paris 6è, 272p

CHASSANG (A) et SENNNINGER (R) Les textes littéraires généraux, coll 1958 « HU », classique hachette, Paris, 459p

DAVAL (R), Critique littéraire, éd du Seuil, 1965 Collection poétique, Paris 209

ESCARPIT (R), Sociologie de la littérature, PUF, 1958 Collection « qui sais-je », Paris 127p

FAYOLLE (R), Critique littéraire, éd du seuil, 1970 Collection poétique, Paris

LAGARDE (A) et MICHARD (L), XIXè siècle, Coll. Textes et littératures, 1962 Bordas Paris, 576p

MICHAUD (G), Mallarmé, Hatier, Paris 1958

PICON (P), L’œuvre d’art et l’immagination, 1955 librairie classique hachette, Paris, 96p

SARTRE (JP), Qu’est ce que la littérature ?, Collection 1948 idées, Paris, 374p

WEBBER (JP), Genèse de l’œuvre poétique, éd 1960 Gallimard, Paris, 563p

WELLEK et WARREN, La théorie littéraire, éd du seuil, 1970 collection poétique, Paris, 339p

BOKY AMIN’NY TENY MALAGASY ANDRIAMALALA (ED), Fofombadiko, 3ème ed, imprimerie 1971 nationale, Antananarivo, 222p

ANDRIAMALALA (ED), Ny fanagasiana, librairie mixte 2009 Antananarivo, 59p

210

DOX [pseud] [Jean Verdi Salomon Izy mirahavavy, imprimerie RAZAKANDRAINY] Volamahitsy, Antananarivo 1967

LOLO RAJOHNS, Rijan-kevitra fandinika ny rindran-kira 1958 malalaka, boky II, éd Aingavao, Antananarivo

RABEMOLALY, RAVALITERA (JN), Fary mamy, kilasy valohany, éd Salohy, RAVELOMANANA (H), trano printy loterana, Antananarivo, 1975 263p

RADO [pseud][Georges Dinitra, éd new print, natonta ANDRIAMANANTENA], fanintelony, Antananarivo, 168p

RAHAROLAHY (E), Erika, imprimerie d’ouvrages éducatifs, 1976 librairie mixte, Antananarivo

RAJAONA (S) Takelaka notsongaina, boky I sy II, 1972 librairie Ambozontany Fianarantsoa, natonta fanindroany

RAJAONA (S), Ny zava-kanto vita amin’ny teny na ny 1993 sarin-teny eo amin’ny fomba filazan- javatra, éd Ambozontany Fianarantsoa, 124p

RAKOTOARIVONY (TS), Ny rômantisma arak any ahitana azy ao 1998 amin’ny hiran’i Gabhy, memoire de CAPEN, Antananarivo, 267p

211

RAKOTONAIVO (F), Ny diampenin’Ny Avana Ramanantoanina (1891-1940), Ambozontany Fianarantsoa

RANDJA ZANAMIHOATRA Vainafo tononkira, éd Ambozontany [PSEUD] [Edmond Fianarantsoa, 143p RANDRIAMANANJARA] 1966

RANDRIAMIADANARIVO, Sekolin’ny Ntaolo, éd Imarivolanitra, 1980 Antananarivo, 64p

RAVOAJANAHARY (Ch), Ny tantaran’ny haisoratra 1896-1915, 1975 STELARIM, Antananarivo

SANDRATRA, Tontolo isainana, amboaran-tononkalo 1991 faharoa, imprimerie BERTI, Antananarivo, 120p GAZETY SY REVIO Ambioka, lah : 33, febroary 2001 Fanavaozana, may 1955 Hiratra, lah : 01, STELERIM 1978, 149 tak Mpanolo-tsaina, lah : 166, oktobra 1943 Ny fokonolona, tselatra, lah : 08 Sakaizan’ny tanora, “resadresaka momba ny pôezia”, nataon-dRajoelisolo Charles, lah : 507, Aprily-Aogositra 1938

TRANONKALA (webographie) https://fr-fr.facebook.com/-hemerson.andrianetrazafy www.macp.gov.mg/hemerson-andrianetrazafy www.lerka.com/-unArtistes.php?artist www.lexpressmada.com/.../hemerson-andrianetrazafy 212 www.africultures.com(biographie de Hemerson Andrianetrazafy) www.newsmada.com/2015/11/20/hemerson.andrianetrazafy www.madaplus.info/Madagascar-fait-elle partie de l’Afrique? www.linkedin.com/in/hemerson-andrianetrazafy www.pinterest.com/andrian_hemerso/ www.amazon.co.uk/.../BOOOOEAGO8 www.calameo.com/accounts/3348963 www.craam.mg/cms/print_article/770 www.imagesetmemoires.com/doc/Articl... lecitoyen.mg/art-plastique-r-faral-… www.madagascar-library.com/n/Hemers... www.orange.mg/.../festival-poesie-avril www.nocomment.mg/joseph-ramanakamonjy/ www.rfi.fr/emission/20151018-cap-oc... www.mada.pro/diaspora_peinture_raza www.nawsmada.com/.../hemerson-andrianetrazafy-art https://oceanindien.revues.org/212 http://-www.priceminister.com/offer/buy/158667512/la-peinture-malgache www.madagascar-librairy.com/n/Hemerson_Andrianetrazafy.html www.angelfire.com/pq/.../approchebio,2012 www.isart-galerie.mg/en/artistes/peinture.../13-hemerson-et-faral.html www.calameo.com www.madagascar-tribune.com/Hemerson-au-pupitre-d’Ambatovinaky

MOMBAMOMBA NY BOKY

Anrarana : RAKOTOARIMANANA

Fanampiny : Antsasoa Ny Aina

Laharana finday : 033 64 531 52 na 034 85 598 61

Lohateny : NY TONOKALON’I HEMERSON ANDRIANETRAZAFY MIRONA

AMIN’NY FIKATSAHANA SY FAMPIVOARANA NY MAHA OLONA

Isan’ny takila : 212

Isan’ny fafana : 04

Isa’ny kisary : 01

Famintinana : Mbola tsy tonga amin’ny tanjona iriany amin’ny fanatrarana ny

tontolon’ny olo-mendrika ny mpanoratra. Mikaroka izany andro aman’alina ao an’eritreriny sy eo amin’ny asa kanto rehetra izay vokariny izy. Tsy mitsahatra mamolavola paika entiny manangana olombelona vaovao manam-panahy ao anaty nofinofy ihany koa. Foto-kevitra-dehibe ifaharan’ny asa sorany ny andrana fampijorona tontolon’olo-mendrika. Ny fananganana ny maha singa dia endrika iray amin’io

fitsakany ny maha olona io, ary izany no entina manasoa ny maro,

Teny fanalahidy : literatiora, tononkalo, olombelona, olo-mendrika, olom-banona, olom-bonona, maha singa

Adiresy : lot II A 119 SAB Soavimbahoaka Antananarivo

Mpampianatra nitan-tsoroka : Andriamatoa : ANDRIAMANATSILAVO Seth

Maitre de conférences