UNIVERSITE D’ANTANANARIVO ECOLE NORMALE SUPERIEURE DEPARTEMENT DE LA FORMATION INITIALE LITTERAIRE C.E.R. LANGUE ET LETTRES MALGACHES

MEMOIRE DE CAPEN

Présenté par Rosina HOLIARIMAHANINA

NY ENDRIKY NY FAMPIANARANA NY TARANJA MALAGASY ARAKA NY NAHITANA AZY TAO AMIN’NY SEKOLY AKANIN’NY MARENINA AO 67 HA, SEKOLY AMBARATONGA FAHAROA, DINGANA FAHAROA

Directeur de mémoire : M Seth ANDRIAMANATSILAVO Maitre de conférences

Antananarivo, juin 2012

Date de soutenance : 21 Juin 2012

UNIVERSITE D’ANTANANARIVO ECOLE NORMALE SUPERIEURE DEPARTEMENT DE LA FORMATION INITIALE LITTERAIRE C.E.R. LANGUE ET LETTRES MALGACHES

MEMOIRE DE CAPEN

Présenté par Rosina HOLIARIMAHANINA

NY ENDRIKY NY FAMPIANARANA NY TARANJA MALAGASY ARAKA NY NAHITANA AZY TAO AMIN’NY SEKOLY AKANIN’NY MARENINA AO 67 HA, SEKOLY AMBARATONGA FAHAROA, DINGANA FAHAROA

Directeur de mémoire : M Seth ANDRIAMANATSILAVO Maitre de conférences

Antananarivo, juin 2012

i

TENY FISAORANA

« Hisaotra an’i Jehovah izay nanome saina ahy aho » Salamo 16 :7 a

Tontosa soa aman-tsara ny asa fikarohana nataonay, noho ny famindram-po sy fahasoavan’Andriamanitra. Koa, amin’ny fo feno fifaliana no isaoranay an’Andriamanitra satria avy Aminy ny saina nahazoanay manatanteraka izany. Ho Azy irery anie ny dera sy ny laza ary ny voninahitra. Eto koa izahay dia misaotra anareo izay nanampy anay, nanao tongotra miara-mamindra, tanana miara-manoratra, saina miara-mihevitra taminay ka nahatontosa izao asa izao. Toloranay fisaorana amin’izany ianao, Andriamatoa RAHARIJAONA Alphonse, nahafoy tena, nanaiky an-tsitrapo hitarika izao fanohanana ampahibemaso izao. Eo koa ianao, RANDRIAMAHAZO Jean-Claude, nanana fandavan-tena nanitsy ny tsy nety tamin’ny asa ary nanome ny torohevitra rehetra hanatsarana izany asa izany. Singaninay manokana ihany koa ianao, Andriamatoa ANDRIAMANATSILAVO Seth, nitantana sy nanoro hevitra anay nandritra ny fitrandrahana ny asa. Tsaroanay tokoa ny fiezahanareo amin’ny fanatsarana ny asa fikarohana ataonay. Nantsoina andro ianareo dia andro, nantsoina alina dia alina. Tsy nitandro hasasarana, nandany fotoana tamin’ny famakiana sy ny fanatsarana izany. Andriamanitra ilay manan-karem- pahasoavana anie hamaly ny soa sesehena nataonareo anay. Tsy hadino ihany koa ny misaotra ireo mpampianatra rehetra izay namolavola anay nandritra izay dimy taona nianarana teo izay. Lova sarobidy tsy mety lo tokoa no nomenareo anay, ka dia misaotra Tompoko. Fisaorana ombam-pankasitrahana kosa no atolotray ny Tompon’andraikitra rehetra ao amin’ny Sekoly Akanin’ny Marenina ao 67ha, angady nananana sy vy nahitana izao akora ampiasanay izao. Nanome an-tsitrapo ireo vondron’ambara hokirakiranay ary nanaiky nosahiraninay tao anatin’ny fotoana maro. Misaotra indrindra ary hitombo hery eny am- pandehanana ianareo amin’ny fanabeazana ireo mpianatra marenina efa napetraka ho iandraiketanareo. Deraina kosa ianareo ray aman-dreny loharano nipoirana sy ireo iray tampo ary ilay vady tiako, tsy sasatra nampahery ary nanohana ny tenanay. Tsy nitandro vola aman-karena fa niezaka nanao izay azo atao tokoa mba hahavitan’izao asa fikarohana izao. Ny fisaorana, hono, Tompoko, toy ny fary lava vany, ka tsy lany hamamiana. Koa fisaorana mitafotafo no atolotra antsika rehetra. Ho ampoky ny soa sy ny tsara anie ianareo, ho tojo ny soa mihoa-pampana ary dia samia hotahin’Andriamanitra, Tompoko.

ii

Fanondroan-takila Teny fisaorana...... i Lisitry ny fafana...... iii Lisitry ny kisary...... iv Lisitry ny sary...... iv 0. Teny fampidirana...... 1 0.1. Ny lohatenin’ny asa fikarohana ...... 1 0.2. Ny anton’ny safidy ...... 1 0.3. Ny zava-kendrena ...... 2 0.4. Ny petraka olana sy ny petraka hevitra ...... 2 0.5. Ny fomba nentina nanatontosa ny asa ...... 3 0.5.1. Ny fitrandrahana tahirin-kevitra ...... 3 0.5.2. Ny firesahana mivantana ...... 3 0.5.3. Ny fanatrehana ny fomba fampianarana mivantana ...... 3 0.6. Ireo olana nosetraina tamin’ny asa ary ny vahaolana ...... 4 0.6.1. ny fahateren’ny fotoana ...... 4 0.6.2. ny tsy fahampian’ny boky ...... 4 0.7. Ireo haitsikera nampiasaina ...... 4 0.7.1. Ny haitsikeran’ny fifandraisana ...... 5 0.7.2. Ny haitsikeran’ny haifampianarana ...... 6 0.8. Ny fetran’ny asa ...... 8 0.9 Ny drafitra itondrana ny asa ...... 8 FIZARANA VOALOHANY : FAMPAHAFANTARANA NY SEKOLIN’NY MARENINA « AKA.MA »...... 9 1.1 NY MARENINA SY NY MANODIDINA AZY ...... 10 1.1.1 Famaritana ny atao hoe : marenina ...... 10 1.1.1.1 Araka ny hevitry ny olon-tsotra ...... 10 1.1.1.2 Araka ny hevitry ny mpitsabo ...... 11 1.1.1.3 Araka ny hevitry ny Fikambanan’ny Marenina Eran-tany (WFD) ...... 11 1.1.2 Ny nahatonga ny tsy fandrenesana ...... 12 1.1.2.1 Avy amin’ny fiforonana hatrany am-bohoka ...... 12 1.1.2.2 Avy amin’ireo aretina isan-karazany ...... 13 1.1.2.3 Ny tsy fitandremana ...... 15 1.1.3 Ny vahaolana hialana amin’ny harenina ...... 16 1.1.3.1 Ny fitsaboana ...... 16 1.1.3.2 Ny fandidiana ...... 16 1.1.3.3 Ny fampiasana « appareils auditifs » ...... 17 iii

1.2 NY TANTARAN’NY SEKOLIN’NY MARENINA MIANKINA AMIN’NY FLM ...... 18 1.2.1 Ny zava-nisy nanosika ny fanorenana ...... 18 1.2.2 Ny niorenan’ny sekolin’ny marenina voalohany...... 20 1.2.3 Ny fanaparitahana ny sekoly ...... 22 1.2.3.1 Ny tetikasa tanterahin’ny Foibe Fanabeazana ny Marenina ...... 22 1.2.3.2 Ny sekolin’ny marenina misy eto Madagasikara ...... 24 1.3 NY SEKOLIN’NY MARENINA AKAMA SY NY TONTOLONY ...... 25 1.3.1 Ny tantaran’ny sekoly Akanin’ny Marenina ...... 26 1.3.1.1 Ny hevitry ny anarana hoe : AKAMA ...... 26 1.3.1.2 Ny nanorenana ny Akanin’ny Marenina voalohany ...... 27 1.3.1.3 Ny fanitarana ny sekoly Akanin’ny Marenina ...... 29 1.3.2 Ny sekoly Akanin’ny Marenina ankehitriny ...... 29 1.3.3 Ireo mpiara-miasa amin’ny sekoly Ankanin’ny Marenina ...... 32 1.3.3.1 Ireo mpiara-miombona antoka avy any ivelany ...... 32 1.3.3.2 Ireo mpanohana avy eto an-toerana ...... 33 FIZARANA FAHAROA : NY FITONDRANA SY NY FAMPIANARANA AO AMIN’NY SEKOLY AKAMA ...... 34 2.1 NY FITONDRANA AO AMIN’NY SEKOLY AKA.MA ...... 35 2.1.1 Ireo lamim-pitondrana arahina ao amin’ny sekoly ...... 37 2.1.1.1 Ny rafitra mpanapa-kevitra...... 36 2.1.1.2 Ireo rafitra mpanatanteraka...... 36 2.1.1.3 Ny rafitra arahina ao an-dakilasy ...... 37 2.1.2 Ireo sampam-pianarana hita ao ...... 42 2.1.2.1 Ny fianarana amin’ny ankapobeny ...... 42 2.1.2.2 Ny fiofanana araka asa sy ny asa famokarana ...... 43 2.1.2.3 Ny fanabeazana hafa...... 44 2.1.3 Ny fandaharana asan’ny sekoly ...... 44 2.1.3.1 Ny fitsidihana toerana iray ...... 44 2.1.3.2 Ny fitsangantsanganana ...... 45 2.1.3.3 Ny lasy fiofanana ...... 45 2.2 NY FAMPIANARANA MISY AO AMIN’NY SEKOLY AKANIN’NY MARENINA ..... 45 2.2.1 Famahavahana ny tanjon’ny fandaharam-pianarana eo amin’ny taranja Malagasy ...... 46 2.2.1.1 Ny zava-kendrena ...... 46 2.2.1.2 Ny tanjona ankapobeny ...... 47 2.2.1.3 Ny tanjona manokana ...... 47 2.2.2 Famahavahana ny votoatin-dresaka ...... 51 iv

2.2.2.1 Ny zana-taranja ianarana ...... 51 2.2.2.2 Ny fitsinjarana asa tanterahin’ny mpampianatra taranja malagasy ao amin’ny sekoly Akanin’ny Marenina ...... 55 2.2.2.3 Ny lesona notontosaina nandritra ny atrika asa ...... 59 2.2.2.4 Ny dingana arahina amin’ny fanomanana lesona ...... 67 2.2.3 Ny tombana ...... 71 2.2.3.1 Famahavahana ny tombana voalaza ao amin’ny fandaharam-pianarana ...... 71 2.2.3.2 Ny tombana tontosaina amin’ny sekoly Akanin’ny Marenina ...... 73 2.2.3.3 Fomba fitsarana ny tombana ...... 90 2.3 NY FITAOVANA AMPIASAINA AMIN’NY FAMPITANA LESONA ...... 92 2.3.1 Ny fampiasana ny « Tenin’ny marenina »...... 93 2.3.1.1 Ny teny enti-mampianatra ho an’ny marenina...... 94 2.3.1.2 Ny fikarohana momba ny « Tenin’ny Tanana » ...... 95 2.3.1.3 Ny fomba fampianarana ny « Tenin’ny Tanana » ...... 106 2.3.2 Fitaovana fanatanterahana ny fampianarana ...... 109 2.3.2.1 Ny solaitrabe ...... 111 2.3.2.2 Ny lahatsoratra ...... 111 2.3.2.3 Ny boky ...... 113 2.3.3 Ireo fomba fiasa ataon’ny mpampianatra amin’ny fampitana ny lesona ...... 117 2.3.3.1 Ny telolafin’ny haifampianarana ...... 118 2.3.3.2 Ny fomba fiasa ao amin’ny sekoly Akanin’ny Marenina ...... 120 FIZARANA FAHATELO : IREO LAFIN-JAVATRA NAMPAHOMBY NA TSIA NY FAMPIANARANA AO AMIN’NY SEKOLY « AKA.MA » ARY NY SOSO-KEVITRA HO FANATSARANA AZY...... 123 3.1 IREO LAFIN-JAVATRA HITA HO MAMPAHOMBY NY FAMPIANARANA NY TARANJA MALAGASY AO AMIN’NY SEKOLY AKANIN’NY MARENINA ...... 124 3.1.1 Ny antony avy amin’ny mpampianatra ...... 124 3.1.1.1 Ny fiofanana mitohy azony ...... 125 3.1.1.2 Ny fanaovany fitsinjarana asa matotra ...... 125 3.1.1.3 Ny fampiasany fitaovana ...... 127 3.1.1.4 Ny fikirizan’ny mpampianatra ...... 127 3.1.2 Antony avy amin’ny mpianatra ...... 128 3.1.2.1 Ny fiheverany ny fianarana ...... 128 3.1.2.2 Ny fandraisany anjara ao an-dakilasy ...... 128 3.1.2.3 Ny fifandraisany amin’ny mpampianatra ...... 129 3.1.3 Ny fiaraha-mientan’ny tompon’andraikitra ao amin’ny sekoly ...... 130 v

3.2 IREO LESOKA HEVERINAY FA MISAKANA NY TSY FAHAZOANA NY FAHOMBIAZANA TANTERAKA AMIN’NY FAMPIANARANA IREO MARENINA ...... 131 3.2.1 Olana avy amin’ny fandaharam-pianarana ...... 131 3.2.2 Olana eo amin’ny mpampianatra ...... 132 3.2.2.1 Ny tsy fahampian’ny tahirin-kevitra ...... 132 3.2.2.2 Ny havitsiany ...... 132 3.2.2.3 Ny tsy fanovaovana ny paika enti-mampianatra ...... 133 3.2.3 Ny olana avy amin’ny mpianatra ...... 133 3.2.3.1 Vokatry ny tsy fahatomombanany ara-batana ...... 133 3.2.3.2 Ny toetra amam-pihetsiny ...... 134 3.2.3.3 Ny tsy fitiavany mamaky boky...... 134 3.3 SOSO-KEVITRA HO FANATSARANA NY FAMPIANARANA AO AMIN’NY SEKOLIN’NY MARENINA ...... 135 3.3.1 Tolo-kevitra ho an’ny mpampianatra ...... 135 3.3.1.1 Ireo toetra tokony hananan’ny mpampianatra amin’ny maha mpampianatra azy ... 135 3.3.1.2 Ireo tekinika azo ampiharina amin’ny fampianarana ny riba sy ny literatiora ...... 137 a) Tekinika ho fanatsarana ny fampianarana ny zana-taranja riba ...... 137 3.3.2 Tolo-kevitra ho an’ny mpianatra ...... 163 3.3.2.1 Tolo-kevitra manampy amin’ny fitadidiana ...... 164 3.3.2.2 Tolo-kevitra hampitiavana ny mpianatra ny vaky boky ...... 166 Teny famaranana...... 178 Loharano nanovozan-kevitra...... 181 Tovana...... 184

vi

Lisitry ny fafana

Fafana 1 : Ny isan’ny mpianatra marenina taona 2008. Loharano : Tahirin’ny sekoly AKAMA ...... 25 Fafana 2 : Ny fitsinjaran’ny mpianatra ao amin’ny Sekoly Fanabeazana Fototra ...... 39 Fafana 3 : Ny fitsinjaran’ny mpianatra ao amin’ny Sekoly Ambaratonga Faharoa ...... 39 Fafana 4 : Fitsinjarana ny mpianatra ao amin’ny Sekoly fianarana tekinika sy fianarana asa ...... 40 Fafana 5: Ny isan’ny mpianatra teo anelanelan’ny taona 2006 hatramin’ny taona 2010 ...... 40 Fafana 6 : Ny taham-pahafahana fanadinana tamin’ny telo taona nisesy...... 41 Fafana 7 : Ny tanjona manokana ao amin’ny kilasy faharoa...... 48 Fafana 8 : Ny tanjona manokana ao amin’ny kilasy faharoa...... 49 Fafana 9 : Ny tanjona manokana ao amin’ny kilasy famaranana...... 50 Fafana 10: Ny tantaran’ny literatiora malagasy ao amin’ny fandaharam-pianarana ...... 53 Fafana 11: Fandaharana oran’ny fampianarana ny taranja malagasy ...... 55 Fafana 12 : Fitsinjarana asa taranja malagasy ao amin’ny kilasy voalohany ...... 55 Fafana 13 : Fitsinjarana asa taranja malagasy ao amin’ny kilasy famaranana mandritra ny taom- pianarana ...... 58 Fafana 14 : Lesona notontosain’ny mpampianatra nandritra ny atrika asa ...... 60 Fafana 15 : Fahasamihafana ara-pifehezanteny amin’ny « Tenin’ny Tanana » sy ny soratra ...... 109 Fafana 16 : fampahafantarana ny lalao karatra ...... 16161 Fafana 17 : Ny tanjona ao amin’ny lalao ...... 16262 Fafana 18 : Ny fomba filalao sy fitsipi-dalao ...... 16363 Fafana 19 : fatra fihinana ny « SPIRULINE » amin’ny ankapobeny ...... 16666

vii

Listry ny kisary Kisary 1: Ny drafitry ny sekoly ...... 30 Kisary 2: Ny fiasan’ny saina amin’ny vakiteny ...... 1155 Kisary 3 : Telolafin’ny haifampianarana ...... 1188 Kisary 4 : Ny telolafin’i LEGENDRE ...... 1199 Kisary 5 : Ny fomba fiasan’ny saina/fitadidiana ...... 1599

Listry ny sary Sary 1 : Sarintanin’ny kaominin’Ambohimiarivo- II...... 20 Sary 2 : famantarana ny sekoly AKA.MA...... 27 Sary 3: Ny alfabetan’ny Tenin’ny Tanàna...... 99 Sary 4 : Voambolan’ny Tenin’ny Tanàna...... 102 Sary 5 : Taovolo amam-pitafy taloha sy ankehitriny ...... 140

1

0. TENY FAMPIDIRANA

Anisan’ny toe-javatra manahirana indrindra eo anivon’ny firenena ny raharahan’ny fampianarana sy ny fanabeazana. Nefa izany sehatra izany no heverinay fa tsara sy ambony indrindra satria izy no mamolavola sy manabe ny olom-pirenena rehetra. Hoy indrindra i Jean Pierre CHEVENEMENT : « Tsy misy asa tsara indrindra sy manan-danja indrindra ho an’ny firenena iray afa-tsy ny asan’ny mpampianatra satria eo amin’io sehatra iray io no hametrahantsika ny fitokisantsika amin’ilay zava-tsarobidy indrindra eo amintsika dia ny zanaka. ». Koa araka izany, dia heverinay fa andraikitra miandry ny olona mahatsapa adidy rehetra ny asa fanabeazana. Izany no nahatonga anay hisafidy ny haifampianarana ho sehatra anaovana fikarohana hoenti-mamarana ny fiofanana teto amin’ny « Ecole Normale Supérieure », sampana Teny Malagasy. Hovahavahana eto am-piandohana ny momba ny lohahevitra ifotoran’ny asa.

0.1.Ny lohatenin’ny asa fikarohana « Ny endriky ny fampianarana ny taranja malagasy araka ny ahitana azy ao amin’ny sekolin’ny marenina AKAMA ao 67ha : Sekoly Ambaratonga Faharoa Dingana Faharoa » no lohateny nomenay ity asa fikarohana ity.

0.2.Ny anton’ny safidy Tsy kisendrasendra na haitraitra no nahatonga anay hirona amin’io lohahevitra io fa misy antony telo, izay heverinay fa mavesan-danja tokoa. Andaniny, amin’ny maha mpiofana ho mpampianatra anay, dia heverinay ho adidy ny mitondra ny anjara borikinay eo amin’ny fanatevenana ny asa fikarohana mikasika ny haifampianarana. Toy ny tsintsina mitondra vonin-tenona ihany anefa izahay amin’izany, satria tsy afaka hihambo hahasahana asa goavana mety hahafa-po ny rehetra. Na izany aza, antenainay fa mba hitondra fanampiana sy hisy akony eo amin’ny fampianarana ny marenina amin’ny taranja malagasy amin’ny ankapobeny izao asa fikarohana nataonay izao. Ankilany, eo koa ny vokatry ny fiofanana azo nandritra ny efa-taona izay namolavolana anay teto amin’ny « Ecole Normale Supérieure ». Nofanina ho mpampianatra ny taranja Malagasy any amin’ny « Lycée » izahay. Koa heverinay fa ny fikarohana mikasika ny fampianarana an’io taranja io ao amin’ny Sekoly Ambaratonga Faharoa Dingana Faharoa no mifanaraka 2

kokoa amin’ny fiofanana nomena anay. Amin’izay, hisy fitohizana hatrany ny fampianarana sy ny torolalana azo. Ary farany, nefa tsy ny kely indrindra akory, dia ny antony nisafidianana ny sekolin’ny marenina. Rehefa nijery ireo asa fikarohana efa vita momba ny fampianarana izahay, dia nahita fa vitsy mpandalina ny zava-misy any amin’ireny toeram-panabeazana ireny. Heverinay anefa fa ilaina ny mamantatra ny fampianarana sy ny fanabeazana any satria sekoly toy ny rehetra ao anatin’ny fiarahamonina sy ny firenena izy ireny ka tokony hanaovana fanadihadiana mba hahafahana mahalala ny zava-misy any ary koa manatsara izany, raha ilaina.

0.3.Ny zava-kendrena Ny hitsikitsika, hono, tsy mandihy foana fa ao raha, ary ny andriana tsy hiloa-bava tsy amin’antony fa ao ny hevitra tiany hampitaina. Koa raha misafidy ity asa fikarohana ity izahay, dia manana ny tanjona tratrarinay. Navahanay ho roa lehibe izany. Ao aloha ny tanjona ankapobeny izay fampahafantarana ny sain’ny mpamaky ny tontolo manodidina momba ny marenina, andaniny, ary fisarihana azy ireo mba hiova toe-tsaina ka tsy hanilika ny marenina na aiza na aiza toerana ifaneraserana amin’izy ireny, ankilany. Ekena fa manana ny tsy fahatomombanana ara-batana ny marenina. Manan-jo hiaina am-piadanana sy am-pilaminana anefa izy amin’ny maha olom-pirenena feno azy. Ankoatra izay, nokendrena manokana amin’ity asa fikarohana ity koa ny fampahafantarana ny zava-misy momba ny fampianarana sy ny fanabeazana ao amin’ny sekolin’ny marenina. Miantefa any amin’ ireo tompon’andraikitra misahana ny asa fampianarana sy ny mpampianatra izany hetsika izany, satria mitovy zo amin’ny mpianatra mandre ihany koa izy ireny.

0.4.Ny petraka olana sy ny petraka hevitra Amin’ny ankapobeny, natao ho an’ny olona tomady ara-batana sy ara-tsaina ny fandaraham- pianarana eto amintsika. Toa tsy voajery ny fandrafetana ny fandaharam-pianarana ho an’ny mpianatra manana ny tsy fahatomombanana ara-batana, nefa manan-jo feno hobeazina sy homena fahalalana izy ireny. Iaraha-mahalala ihany koa anefa fa mitaky mari-pahaizana ny sehatr’asa samihafa. Noho izany, na eo aza ny olana mihatra aminy, dia miatrika ny fanadinam-panjakana miaraka amin’ny besinimaro ireny mpianatra manana fahasembanana ireny. 3

Manoloana izany zava-misy izany, fomba ahoana àry no enti-miatrika ny fampianarana sy ny fanabeazana azy ireny? Izany olana izany no ezahina hovahavahana amin’ity asa fikarohana ity: fandaharam-pianarana arahin’ny besinimaro ihany no tanterahin’ny mpianatra marenina; Tenin’ny Tanana ifaneraseran’ny mpampianatra sy ny mpianatra mba hahatafita ny fampianarana ho azy ireo. Manao ahoana ny endrika isehoan’ny fampitam-pahalalana amin’izany? Ary hatraiza no mety ho fahombiazan’izany?

0.5.Ny fomba nentina nanatontosa ny asa Azo sokajiana telo miavaka tsara ny fomba nentina nanao ny asa fikarohana.

0.5.1. Ny fitrandrahana tahirin-kevitra Tahirin-kevitra miompanana amin’ny fomba fampianarana no navadibadika matetika, mialoha ny hirotsahana tamin’ny atrika asa. Azo sokajiana araka ny votoatiny izy ireny, toy ny momba ny pedagôjia, ny vakiteny, ny fomba fitondrana ny mpianatra. Samy nanovozan-kevitra avokoa, na ny boky nosoratana tamin’ny teny malagasy, na ny boky tamin’ny teny vahiny. Fitaovana lehibe nanampy anay ihany koa ny lesona tany an-tsekoly izay noraisina nandritra ny fiofanana. Anisan’ny nanampy betsaka anay ny fijerena ny « internet ». Tamin’ny alalan’io avokoa mantsy no namenoana ny tahirin-kevitra miompana amin’ny marenina, ohatra ny antony mahatonga ny tsy fandrenesana, ny vaovao eran-tany momba ny fikambanan’ny marenina.

0.5.2. Ny firesahana mivantana Nanaovana fanadihadiana koa ny tompon’andraikitry ny sekoly, ny mpitsabo, ny talen- tsekoly, ny mpampianatra ao amin’ny sekoly Akanin’ny Marenina. Resaka mivantana no natao. Maro ny zavatra mahaliana azo tamin’izany. Ireny indrindra no nisarika hatrany ny saina handresy lahatra ny olona hiala amin’ny fanilihana azy ireny.

0.5.3. Ny fanatrehana ny fomba fampianarana mivantana Misy ambarataonga toy ny any amin’ny sekoly rehetra ny sekolin’ny marenina. Ny kilasy voalohany sy ny kilasy famaranana no nanatanterahana ny atrika asa. Natao izany mba hahafantarana ny fizotry ny fampianarana ary ny fihetsiky ny mpianatra manoloana izany.

4

0.6.Ireo olana nosetraina tamin’ny asa ary ny vahaolana Ny manao zavatra moa tsy mora. Amin’ny ankapobeny, dia azo avahana ho roa lehibe ny olana setraina teo am-pikarohana : ny olana teo amin’ny fahateren’ny fotoana, ary ny tsy fahampian’ny boky.

0.6.1. Ny fahateren’ny fotoana Koa raha folo volana eo ho eo no fotoana nomena amin’ny famitana ny asa, dia heverina fa voafetran’izany ihany koa izay tokony hatao. Nahatsapa ho nanenjikenjika be ihany izahay raha nanatanteraka ny asa satria nandany fotoana maro ny fidodododoana eran’ny tranom- boky samihafa. Rehefa tena nanomboka ny fanadihadiana, nandaniana andro maromaro koa ny famakiana sy ny fahazoana ireo hevitra samihafa noraketin’ny boky. Manaraka izany, mba hahasiantifika ny asa, dia tsy maintsy misy ny fanadihadiana mivantana. Nahitana olana koa izany, satria voafetra ny fotoana nomen’ny tompon’andraikitra hanatanterahana ny atrika asa sy ny firesahana mivantana. Andro maromaro no niandrasana ny valin’ny fanomezan-dalana hanatanterahana izany, satria mbola nandinika sy nandalina ny ny toe-javatra ny tompon’andraikitra vao nanapa-kevitra.

0.6.2. Ny tsy fahampian’ny boky Olana goavana koa ny fikarohana ny boky satria saro-tadiavana ny boky momba ny fampianarana ny marenina. Na tao amin’ny sekoly Akanin’ny Marenina aza, dia vitsivitsy ihany ireo boky nananan-dry zareo. Noho izany, voatery nikirakira solosaina matetika izahay fa tsy afaka nianina tamin’ireo tahirin-kevitra nisy.

Na dia teo aza ireo olana nosetraina, dia niezaka hatrany izahay nanao ny asa tam-pitiavana, nanangona tao anatin’ny fotoana voafetra ireo hevitra rehetra ilaina, ary nandrafitra izany tamim-paharetana mba hahazoana vokatra tsara sy mivaingana.

0.7.Ireo haitsikera nampiasaina Tahaka ny hoe manjaitra mila fanjaitra, miasa tany mila angady, dia mila mampiasa haitsikera koa ny mpikaroka. Andry iankinan’ilay asa mba hahatonga azy ho siantifika izany. Haitsikera 5

roa lehibe no hanompananay ny asa fikarohana : ny haitsikeran’ny fifandraisana sy ny haitsikeran’ny haifampianarana.

0.7.1. Ny haitsikeran’ny fifandraisana Mitana anjara toerana lehibe eo amin’ny fiainana andavanandro ny fifandraisana. Tsy diso anjara amin’izany koa ny marenina eo amin’ny fifaneraserana eo amin’ny tontolo misy azy. Maro ireo lalan-tsaina nosoratan’ny mpandinika momba io fifandraisana io, fa ny nifotoranay tamin’ity asa ity dia ny an’i Roman JAKOBSON, izay azo fintinina amin’ny kisary toy izao 1:

Mpandefa Hafatra Mpandray

Ny hafatra no kofehy mampifandray ny mpandefa hafatra sy ny mpandray azy. Rijam- pamantatra na « code » entina mandrafitra azy. Ny famantatra na « signe » dia karaza-marika mirakitra hevitra izay miorina amin’ny fifanarahana ary iombonan’ny andaniny sy ankilany. Tokony hitovy ny fitsipika mifehy ny fampiasana ireny famantatra ireny eo amin’ny fanehoan-kevitra, mba tsy hampivaona ny tian-kolazaina. Ny mpandefa hafatra dia tsy maintsy mahafehy ny lalànan’ny rijam-pamantatra ampiasainy satria io no andrafetany ny hafatra. Miankina amin’izany mantsy ny votoatin-kafatra voarain’ny andaniny. Tokony ho ao an-tsaina mandrakariva ireto fanontaniana ireto : - Inona no tiako holazaina ? - Inona avy ny famantatra tokony hampiasaina amin’izany ? - Ahoana no fomba fandrafetana izany mba hahazoana fehezanteny misy heviny ? Kendreny hatrany mba hifanandrify amin’izay tiany hambara ny votoatin’ny hafatra alefany. Izany asa izany no antsoina hoe : « encodage ». Tsy maintsy milofo fatratra amin’ny fanatonana ny ampitana ny mpampita mba hahatafita sy haharaisana ny hafatra araka ny tokony ho izy. Misy ny fantsona na « canal » izay lalana ikorianan’ny hafatra ampiasainy. Ahitana karazany telo izy : ny am-bava, ny an-tsoratra ary ny zavatra hafa toy ny fihetsika. Ity farany no fantsona ampiasaina ho an’ny marenina. Maro ireo mpandinika no manambara fa miankina amin’ny fantsona ampiasaina hoenti-mampita ny hafatra ny fahatsarana sy ny lanjan’ny hafatra ampitaina ary ny vokatra mety ho azo. Ny mpandray hafatra dia mamantatra ny hevitra fonosin’ny hafatra. Tokony hahalala tsara ny fampiasana ny « code » koa izy, satria ny asa mifanohitra amin’izay nataon’ny mpandefa

1 Roman JAKOBSON, Essais de linguistique générale , Ed. de Minuit, Paris, 1963. 6

hafatra no ataony te hahazo izay nolazaina taminy izy. Izany asa izany no atao hoe « décodage ». Raha ampiharina eo amin’ny sekolin’ny marenina io lalan-tsaina io, toy izao ny fisehony: - ny tompon’andraikitry ny sekolin’ny marenina sy ny mpampianatra no mpandefa hafatra. - ny mpianatra marenina no mpandray ny hafatra. - Ny « tenin’ny tanana » no andrafetana ny hafatra ampitaina. Mba hampahomby ny fandefasana hafatra, dia ireto fepetra telo ireto no mifehy izany : - tokony ho efa nifanarahana na efa fantatry ny mpandray hafatra ny « code » ampiasaina. - tokony ho hevitra iray ihany no raketin’ny famantatra iray. - tokony harahina tsara ny lalàna mifehy ny « code » rehefa mampiasa azy.

0.7.2. Ny haitsikeran’ny haifampianarana Ankoatra ny fampiasana ny haitsikeran’ny fifandraisana, dia hevitra fototra ilafihan’ny asa fikarohana nataonay koa ny haitsikeran’ny haifampianarana satria anisan’ny votoatin’ny asa ny fampianarana ny marenina. Hevitra mpandinika efatra no aroso mikasika izany.

• ny lalan-tsaina « behaviorisme » Ity lalan-tsaina ity dia manasongadina indrindra ny fifamenoan’ny mpampianatra sy ny mpianatra. Izany hoe, misy ny fanaitra ary misy ny valiny andrasana. Ny fanaitra ao amin’ny fampianarana dia izay atolotra ny mpianatra sy/na asaina karohina. Amin’ny « behavioristes », omena fanaitra ny mpianatra, ka raha miiba ny valiny, dia tsy mahaliana ny mpianatra ny fampianarana ary tsy misy fiantraikany taminy. Raha miabo kosa ny valiny, midika izany fa liana ny mpianatra teo am-pandraisana ny lesona sy ny fanazavana, ka tonga mitady lalana hanatevenana sy hampiasana iny fanaitra noraisina iny. Ny tokony hataon’ny mpampianatra izany dia ny mitady valiny miabo eo amin’ny mpianatra, izany hoe, atao izay hampahaliana ny fanaitra. • ny fomba fijery « cognitivisme » I Marcel CRAHAY no iray amin’ireo mpandinika nandalina ity lalan-tsaina ity. Ao amin’ny boky nosoratany Cognitivisme et enseignement, Psychologie de l’éducation, no anazavany 7

an’izany 2. Ny « cognitivisme » dia fomba fijery mandinika manokana ny fiasan’ny sain’ny mpianatra eo am-piatrehana ny fianarana, izany hoe, ny fahafahan’ny tsirairay mandray fahalalana, na manao asa iray. Ka izay fahafahana izay dia miankina indrindra amin’ny fomba fheverany manokana sy ny toetran’ny fahalalana ao aminy. Ny fampianarana izany dia tokony hiompana hatrany amin’ny fanetsehan’ny mpianatra ny angona ananany, ka sady fitaizana ny fiasan’ny saina no ahitany fahalianana amin’ny fianarana. • ny lalan-tsaina novoizin’i THORNDIKE sy i CRAHAY ary i NOT. I THORNDIKE dia nifototra tamin’ny hoe « soa lavo hahay mamindra, soa kenda hahay mitsako ». Aminy dia ny mpianatra mihitsy no tokony hahatsapa ny tsy mety ataony, ary izy ihany koa no miezaka ny hanova. Amin’izay mantsy dia miraikitra kokoa ao an-tsaina ny mety sy ny tsy mety natao, no sady misy kokoa ny fitandremana aty aoriana. Nanamafy izany i CRAHAY raha nanolotra ny fomba telo hitarihana ny mpianatra ka hahatonga azy hijery ny hadisoany : - ampahafantarina azy ny hadisoany - hazavaina aminy ny anton’ilay hadisoana - tarihina kosa izy hanaporofo raha toa ka marina ny valin-teniny Eo amin’ny fiainana mantsy, ny hadisoana dia tsy maintsy atrehin’ny mpianatra, ka ny fanabeazana dia manomana ny mpianatra hahay hiatrika ireny amin’ny fomba mahomby. Nanamafy izany tenin’i CRAHAY izany koa i NOT : ny mpianatra dia tokony hizatra hamaha olana ho an’ny tenany, hamantatra ny tsy fantatra, handray fanapahan-kevitra ary hisaina amin’ny fombany manokana. Ny fomba fijerin’i NOT izany dia mampivelatra bebe kokoa ny maha izy ny mpianatra mihitsy.

• Ny lalan-tsaina « constructivisme » Mifameno amin’ireo ny lalan-tsaina « constructivisme ». Anisan’ny mampihatra ity lalan- tsaina ity i Jacques TARDIF 3. Aminy ny mpianatra dia tsy mpandray fahalalana fotsiny fa manorina sy mampivoatra ny fahalalana ananany, izany hoe miainga amin’ny zavatra efa hainy izy. Ny anjaran’ny mpampianatra kosa dia ny manao izay itarihana azy mba hahazoany ny fahalalana fototra, ary iny no iasany arakaraka izay fahalalana efa ananany.

2 M CRAHAY, Cognitivisme et enseignement, Psychologie de l’éducation , Collection Premier Cycle, PUF, 1994, tak 281-283. 3 J TARDIF, Pour un ensegnement stratégique , Edition logique, Collection Théorie et pratique de l’enseignement, 1992, tak 48-52 8

Mahaliana ny fampiasana ny fomba fijery « constructivisme », noho izy miteraka sedra eo amin’ny mpianatra, ary ambonin’izay aza, ity fomba ity dia mahatonga ny mpianatra hahazaka tena, tsy hiankina amin’ny hafa eo amin’ny fanatanterahany ny fianarany. 4

0.8.Ny fetran’ny asa Marihinay anefa fa tsy izahay akory no mpamaky lay eo amin’ny fikarohana toy izao fa efa tao tokoa ireo zoky mpialoha lalana. Mpanohy ny asa vitany sy mpanara-dia azy ireo ihany izahay amin’izao asa nataonay izao. Na izany aza, niezaka kosa izahay hanasongadina fomba fijery sy asa famakafakana izay antenainay fa hanampy sy hanatevina ireo efa voalaza ireo.

0.9.Ny drafitra itondrana ny asa Nozarainay telo ny fanehoana ny vokatra azo tamin’izao asa fikarohana izao. Ao amin’ny fizarana voalohany no hahitana ny ankapobeny momba ny sekoly Akanin’ny Marenina. Holazalazaina ao anatin’izany ny mikasika ny marenina sy ny manodidina azy, ny tantaran’ny sekoly marenina miankina amin’ny fiangonana ary ny tantaran’ny sekoly Akanin’ny Marenina. Ao amin’ny fizarana faharoa no hiresahana ny fomba fampianarana hita ao amin’ny sekoly Akanin’ny Marenina. Hovahavahana amin’izany ny fomba fitantanana misy ao amin’ny sekoly, ny endriky ny fampianarana ny marenina ary ireo mpiara-miombona antoka aminy. Ary ny fizarana fahatelo kosa no hanomezana ireo sinton-kevitra avy amin’ny fanadihadiana izay hanasongadinana ireo lafin-javatra mampahomby sy tsy mampahomby ny fampianarana ho an’ny marenina. Miainga avy amin’ireo ny fanolorana tolo-kevitra ho fanatsarana ny fampianarana amin’ny ankapobeny.

4 J. PIAGET, Théorie du développement de l’enfant, Etudes comparatives, De boeck Wesmael S., 1994. 9

1 FIZARANA VOALOHANY

FAMPAHAFANTARANA NY SEKOLIN’NY MARENINA « AKA.MA »

10

Ny endriky ny fampianarana ny taranja malagasy araka ny nahitana azy tao amin’ny sekoly Akanin’ny marenina ao amin’ny 67 Ha no ifotoran’ity asa fikarohana ity. Resaka ifanaovan’ny mpianatra sy ny mpampianatra no ahafantarantsika ny fampianarana. Miasa betsaka amin’izany ny sofina. Olona tsy mandre anefa no beazina ao amin’ny « AKAMA ». tsy maintsy miavaka amin’ny mahazatra izany io sekoly io. Koa heverinay fa tsara ny hanoritsoritana ny sekoly « AKAMA » izay sehatra nanatontosana azy. Manampy amin’ny fahazoana ny fizotran’ny fampianarana ao izany. Nozarainay ho toko telo miavaka tsara ity tapany voalohany ity. Hohazavaina aloha ny mikasika ny marenina sy ny manodidina azy izay antom-pisian’ny sekoly AKAMA. Aorian’izay no hamelabelarana ny tantaran’ny sekolin’ny marenina miankina amin’ny fiangonana. Hiompana amin’ny sekolin’ny marenina AKAMA sy ny tontolony ny toko fahatelo farany.

1.1 NY MARENINA SY NY MANODIDINA AZY

Sokajin’olona miavaka ao amin’ny fiarahamonina ny marenina. Toy ny olon-drehetra ihany izy raha ny bika aman’endrika. Ny fahafaha-mandre no tsy ananany no lesoka eo aminy. Misy akony goavana eo amin’ny fiainany izany, raha tsy hiresaka afa-tsy ny fampianarana isika: tsy afaka mianatra any amin’ny sekoly mahazatra izy. Mba hahafantarana tsara ny momba ny marenina sy ny manodidina azy, dia hofaritana ato ny atao hoe : marenina. Horesahina ihany koa ny nahatonga ny tsy fandrenesana. Hasian-teny farany ny vahaolana hialana amin’izany.

1.1.1 Famaritana ny atao hoe : marenina

Olana eo amin’ny fandrenesana no hevitra fototra fonosin’ny teny marenina . Samy manana ny fandraisany an’izany anefa ny sokajin’olona samihafa. Indro atoltray eto ireny.

1.1.1.1 Araka ny hevitry ny olon-tsotra

« Tsy mandre, donto » no hevitra omen-dRAJEMISA ny teny hoe « marenina » ao amin’ny Rakibolana Malagasy 5. Renina ny fototeny niaviany fa tsy nasiany fanazavana ao. Ny ohatra omeny no ahalalana fa mety hatrany am-bohoka no efa azo ilay kilema: « marenina hatrany an-kibon-dreniny io olona io ».

5 Régis RAJEMISA RAOLISON, Rakibolana malagasy , Editions Ambozontany, May 2003, tak 638. 11

« Ny marenina dia ireo olona mahantra ara-tserasera eo amin’ny fiarahamonina noho ny olana eo amin’ny fitaovam-pandrenesana »6. Izany indray no fiheveran’ny mpampianatra ao amin’ny AKAMA ny marenina. Soritany amin’izany fa manana fahasahiranana amin’ny fifandraisana amin’ny mpiara-belona aminy ny marenina noho io kilemany io.

1.1.1.2 Araka ny hevitry ny mpitsabo

« Hypoacousie, surdité » no filaza ny tsy fandrenesana amin’ny fiteny medikaly 7. « Fihenan’ny fahafaha-mihaino »8 na « fahaverezana tanteraka na ampahany eo amin’ny fihainoana »9 no hevitr’izany. Misy ambaratonga izany ny fahafaha-mandre, ka ambany dia ambany na tsy misy mihitsy ny an’ireo marenina.

1.1.1.3 Araka ny hevitry ny Fikambanan’ny Marenina Eran-tany (WFD)

Inona moa ny WFD ? Fikambanana maneran-tany tsy miankina amin’ny Fanjakana ny Fikambanan’ny Marenina Eran-tany na World Federation of the Deaf. 70 tapitrisa eo ho eo ny mpikambana marenina ao. Nahazo lalana tamin’ny Firenena Mikambana izy ary manana ny tanjony sy ny asany manokana : Zava-dehibe indrindra amin’ny fikambanana ny fampandrosoana ny marenina, ny fampiasana ny tenin’ny tanana, ny fampitovian-jo azy eo amin’ny besinimaro, ny fanomezana fampianarana ho azy, ary ny fampahalalam-baovao azy ireo. Manana famaritana manokana momba ny atao hoe : « marenina » ny fikambanana : « ny marenina dia ireo olona mampiasa ny tenin’ny tanana ho teny entina mifandray ; tsy mahaheno feo izy ireo matetika ». 10

Raha aravona ireo famaritana samihafa ireo dia olona manana fahaverezan’ny fihainoana na fihenan’ny asan’ny taovam-pandrenesana no antsoina hoe « marenina ». Tapaka ny serasera am-bavan’izy ireo eo amin’ny fiarahamonina. Miaina ao amin’ny tontolo misy ny besinimaro

6 Famaritana amin’ny mpampianatra tao amin’ny Akanin’ny Marenina 67ha. 7 www.vulgario-medical : « dans le langage médical, surdité est synonyme d’hypoacousie » 8 www.vulgario-medical « la surdité est la diminiution de l’acuité auditive » 9 www-mediadico : « perte complète ou partielle du sens de l’ouïe » 10 www.friendsofstwincents.org, World Federation of the Deaf, Uptaded 15 March 2010 : « The World Federation of the Deaf is an interantional non-gouvernemental organisation […] representing approximately 70 million Deaf people worldwide […] Most important among WFD priorities are Deaf people in developing countries, the right to sign language ; and equal opportunity in all spheres of life ; including access to education and information » 12

izy nefa tsy afa-mifandray aminy. Noho izany, voailikiliky ny mpiara-belona izy ireo. Mba handrindrany ny fiainany ary hifandraisany amin’ny besinimaro, dia ny « tenin’ny tanana no teny noforonina hoentiny mifandray. Hoy i GREGORY : « ny olona dia manana ny fomba fiheverany ny tontolo vokatry ny fifandraisana sy ny hetsika mifamaly ao aminy, ary avy amin’izany no ipoiran’ny fandrindram-piainana eo amin’ny tontolo manodidina ». 11

1.1.2 Ny nahatonga ny tsy fandrenesana

Amin’ny maha olombelona ny olombelona, tsy ary ho lavorary avokoa ny fiainany. Araka izany, tsy mahafa-po tanteraka ny fiainana, fa lalovan-drahona ihany indraindray. Anisan’ireny ny aretina izay mpahazo ny olombelona, satria marefo ihany moa ny ain’olombelona. Samy manana ny loharano iaviany ny aretina. Hasiana fanazavana manokana eto ny mahatonga ny tsy fandrenesana. Voalazan’ny mpitsabo ho fototry ny tsy fandrenesana ireto toe-javatra telo ireto : avy amin’ny fiforonana hatrany am-bohoka, avy amin’ireo aretina isan-karazany, ny tsy fitandremana.

1.1.2.1 Avy amin’ny fiforonana hatrany am-bohoka

Tsy nitrebona avy amin’ny tany ny olombelona. Tao dia tao tokoa ny fototry ny fisiany : ny fikambanan’ny tsirinaina lahy sy ny tsirinaina vavy. Io fihaonana io no miteraka ny fiforonan’ny zaza. Sivy volana eo ho eo ny faharetan’ny fitondran’ny reny ny vohoka. Arahina fikarakarana samihafa izany mba hisorohana izay mety ho tsy fahatomombanan’ny zaza. Na dia eo aza anefa ny fitandremana atao, dia mety hiseho ihany trangan-javatra tsy ampoizina toy ny fahasembanan’ny taova iray. Antony mety ho mahatonga izany : ny tsy fahatonian’ny reny bevohoka manoloana ny zava-misy, ny aretina nahazo azy mandritra ny fotoana nitondrany vohoka, ary ny tarazo avy amin’ireo ray aman-dreny teo aloha. Araka ny lalànan’ny fiforonan’ny zaza, roa volana eo ho eo no fe-potoana mahatomombana tanteraka azy, izany hoe feno ny fepetra rehetra maha olona azy : ny vatana, ny rantsam- batana ary ireo taova samihafa. Miantoka ny fitomboany ny fito volana sisa. Fotoana saro- pady io roa volana io, satria mety hijanona tampoka ny fiforonan’ny taova. Ny tsy

11 Hevitr’i GREGORY (B) & JURGEN RUESH, nalaina tao amin’ny Mémoire CAPEN, RAHARINDRESY Mangatiana Hajasoa, Ny fomba filazan-javatra ao amin’ny dokavarotra , desambra 2003. 13

fahatonian’ny reny toy ny tsy fitandremana, ny tsy fahafehezany ny fihetseham-pony, ny loza tsy ampoizina no mahatonga izany. Misakana ny anjara asan’ny taova tsy ho tanteraka antsakany sy andavany ny tsy fahalavorariany. Ohatra, eo amin’ny fitaovam-pandrenesana : raha sanatria, tsy ary fomba ohatra ny ampongantsofina dia tsy handre avy hatrany ilay zaza. Fototry ny fahasembanana ihany koa ny aretina nahazo ny reny nandritra ny fotoana nitondrany vohoka. Tsy ny aretina rehetra anefa, fa ny poizin’aretina entin’ny bonibony, ohatra. Ny bonibony dia aretina mihatra amin’ny zaza ao am-bohoka. Mifindra avy amin’ny alalan’ny poizin’aretina entin’ny reny bevohoka. Mety hiteraka fahafahan-jaza izy raha mbola latsaka ny telo volana an-kibo ny zaza no mitranga izy. Mety hiteraka fahasamponana eo amin’ny taova na tsy fandrenesana na fahafatesan’ny zaza mihitsy aza. Tsy atahorana intsony ny aretina rehefa mihoatra ny telovolana ny zaza ao am-bohoka. 12 Araka ny fanadihadiana nataon’ireo mpitsabo dia « hatrany am-bohoka no fiandohan’ny tsy fandrenesana eo amin’ny ankamaroan’ny zaza »13 . Matetika iharan’ny fahasembanana ny ampongantsofina, ny ravin-tsofina, ny lavatsofina.

1.1.2.2 Avy amin’ireo aretina isan-karazany

Mandalo ambaratonga telo ny fiainan’ny olombelona : ny fahazazana, ny fahatanorana, ny fahanterana. Misy hatrany karazan’aretina mety hanohintohina ny fandrenesana mandritra ireo vanim-potoana ireo.

a) Mandritra ny fahazazana Mandritra ny fotoam-pahazazana, marefo ny zaza ka tsy ampy loatra ny hery fiarovana ananany hoentiny misetra ireo otrikaretina avy ety ivelany. Mety hisy voka-dratsy ireny aretina ireny, toy ny fahasimbana eo amin’ny taova. Raha ny momba ny tsy fandrenesana, dia fantatra fa mitarika fahavoazana eo amin’ny fitaovam-pandrenesan’ny zaza ny aretina tontongan-dronono na ny aretin’ny fonon’ny ati-doha. Ny tontongan-dronono dia fivontosana eo amin’ny sofina vokatry ny poizin’aretina na otrikaretina. Mety ho fotoana fohy na ho fotoana lavalava ny faharetan’ny aretina, ary mety

12 www.doctissimo.com: « la rubéole est une maladie assez bénigne quand elle touche les enfants. Le problème le plus grave est de loin le risque de transmettre le virus à une femme enceinte et par conséquent au bébé qu’elle porte » 13 MINISTERE DE LA SANTE ET DU PLANNING FAMILIAL, Présentation des résultats de l’enquête épidemiologique sur la surdité et le déficit auditif dans la province d’Antananarivo , 2007 : « la moitié de la surdité chez les enfants sont d’origine génétique » 14

hahazo ny sofina iray na ny sofina roa. Miseho amin’ny endrika roa ny tontongan-dronono: ao ny tontongan-dronono tsy ahitana tsiranoka eo amin’ny sofina, tsy mamela takaitra rehefa voatsabo tsara ; faharoa, ny tontongan-dronono mamoaka ranoka amin’ny sofina. Mahatonga ny tsy fandrenesana eo amin’ny zaza io seho faharoa io. 14 Ny aretin’ny fonon’ny ati-doha kosa dia tsy fahasalamana mahazo ny ati-doha izay miseho amin’ny alalan’ny fivontosan’ny fonony. Azo avy amin’ny otrikaretina koa izy. Miantomboka eo amin’ny fitaovam-pandrenesana izany, ary miparitaka eran’ny vatana. Mety ho voadona, araka izany, ny taovam-pandrenesana ka tsy mandre intsony. Misoroka ny tsy fahatongavan’ny aretina ny fanaovana vakisiny ny zaza manomboka eo amin’ny faharoa ambin’ny folo volany 15 . Araka izany, mila fahamalinana ny fitaizana ny zaza mba tsy hiafara amin’ny fitondrany takaitra raha tojo tsy fahasalamana izy.

b) Mandritra ny hatanorana Ny fahatanoran’ny olona no fotoana heverina fa mahavory ny hery sy ny tanjaka rehetra. Na izany aza, eto amin’ity vanim-potoana ity indray, dia ny atao hoe « neuropalu » no aretina manimba ny taovam-pandrenesana. Tazo mahery miantraika any amin’ny ati-doha izy io, ary manajanona tampoka ny fiasany raha tsy voavonjy haingana ny marary. Miantefa amin’ny sofina izany, hany ka voatohina ny fiasan’ilay taovam-pandrenesana. Koa tsara raha manatona ny mpitsabo rehefa tsy metimety ny fahasalamana.

d) Mandritra ny fahanterana Amin’ny vanim-potoanan’ny fahanterana kosa, dia iaraha-mahalala fa mihena avokoa ny hery sy ny tanjaka. Mihaosa koa ny taova rehetra. Raha ny amin’ny taovam-pandrenesana, dia mihena tsikelikely ny taham-pandrenesana, ary mety hiafara mihitsy amin’ny tsy fandrenesana intsony izany. « Fototr’izany ny faharatran’ny atisofina, ny fivangongon’ny tain-tsofina, ny fahalemen’ny lalam-peo »16 .

14 www.medecineetsanté.com, op.cit, tak 5 : « l’otite est une inflammation de l’oreille dûe le plus souvent à une infection virale ou bactérienne. Elle peut être aigüe ou chronique mais aussi bi ou unilatérale […] L’otite aigüe sans écoulement d’oreille et l’otite aigüe avec l’oreille qui coule […] » 15 www.medecineetsanté.com: « Une méningite est une inflammation des méninges. Une de leurs causes les plus fréquentes est représentée par des infections provoquées par des virus ou des bactéries. [..] L’infection des méninges peut alors se produire à partir d’un foyer ORL » 16 www.cdlb.org/dicas.html : « la surdité concerne en général les sujets agés. Il peut arriver des lésions internes de l’oreille, mais aussi la présence en quantité abondante de cérumen ou induration du conduit auditif » 15

Ankoatra ireo voalaza ireo, dia mety hiteraka ny tsy fandrenesana ihany koa ny vokatry ny fanafody hohanina toy ny « antibiotique », ny « analgésique », ny « antipyrétique » araka ny filazan’ny mpitsabo. Samy mety hahazo io aretin’ny tsy fandrenesana io avokoa ny olona rehetra, koa tokony hitandrina. Araka ny voka-pikarohana ihany, « ny 44,41 isan-jaton’ny mponina eto Antananarivo dia heverina fa tratran’io aretina tsy fahampian’ny fahenoana io »17 .

1.1.2.3 Ny tsy fitandremana

Mitarika fahavoazana eo amin’ny taovam-pandrenesana koa ny tsy fitandremana. Ambara amin’izany ny tsy fanajana ny feo tokony ho zakan’ny ampongantsofina, ary ny fanaovana ho ambanin-javatra ny fahadiovan’ny sofina. Araka ny fanazavana nomen’ny mpitsabo, dia miantraika mivantana amin’ny ampongantsofina ny feo re avy amin’ny ravin-tsofina. Tsy mahazaka ny feo rehetra anefa izy io, fa misy fetrany ihany izany. Raha misesisesy, ary mafy loatra ny tabataba, dia hihadonto ny ampongantsofina, hihena miandalana ny fandrenesana, ary hiafara amin’ny tsy fandrenesana tanteraka izany. Avy aiza moa ny feo mafy ? Avy amin’ny ireo fitaovana fandefasam-peo toy ny fihainoana « walkman », ny telefaonina, ny fampielezam-peo, ireo fitaovam-piasana mandeha amin’ny herinaratra tahaka ny fitaovana fandrafetana, ny milina fanjairana. Matetika, « mahatonga tsy fandrenesana eo amin’ny ankabeazan’ny tanora ny vokatr’ireny tabataba ireny »18 . Manaraka izany, mahatonga ny fahalalodalovana ihany koa ny fahatsentsenan’ny sofina amin’ny alalan’ny tain-tsofina. Ny tain-tsofina dia menaka manopy mavo hita ao anaty sofina. Mampalefaka ny ampongantsofina izy io mba hahalavorary ny fampitana ny feo. Mety hanentsina ny lalam-peo ny fahabetsahany loatra, ary mety hiteraka tsy fandrenesana amin’ny ampahany na tanteraka. Ho fisorohana izany, dia tokony hoesorina ny tain-tsofina amin’ny fampiasana fitaovana tsy maranitra loatra 19 . « Fototra lehiben’ny aretin-tsofina sy ny fahaverezan’ny fihainoana ny

17 www.medecineetsanté.com, op.cit p.18 tak 5 : « le résultat de l’étude du taux de prévolence de la surdité et de la déficience auditive dans la province d’Antananarivo est de 44.41% ». 18 www.medecineetsanté.com, op.cit p 18 tak.5 : « L’utilisation des machines à bruit intense, ainsi que l’usage accru des équipements audiovisuels provoquent des bruits excessifs et peuvent entraîner une perte de l’audition surtout chez les jeunes ». 19 www.medecineetsanté.com, op.cit tak 18 : « Le cérumen est la graisse jaunâtre que l’on trouve dans les oreilles. Il sert à lubrifier le tympan […] Il s’écoule spontanément du conduit […] pour former à la longue, un bouchon. Le bouchon va se manifester par une surdité totale ou partielle » 16

fisian’ny tain-tsofina ao anaty lalam-peo »20 . Noho izany, tandrovina ny fahadiovana mba hahalavorary ny asan’ny taovam-pandrenesana.

1.1.3 Ny vahaolana hialana amin’ny harenina

Hita teo fa maromaro ihany ny mety ho loharanon’ity aretina ity. Tsy mipetra-potsiny anefa ny manam-pahaizana, fa manao fikarohana tsy tapaka. Vahaolana telo aloha izao no ampiasaina : ny fitsaboana, ny fandidiana, ny fampiasana fitaovana.

1.1.3.1 Ny fitsaboana

Amin’ireo aretina mpahazo ny taovam-pandrenesana dia misy ihany ny azo tsaboina tsara : ny fahatsentsenan’ny sofina sy ny takaitra navelan’ny tontongan-dronono izay tsy dia mafy loatra. Maharitra sady sarotra ihany ny fitsaboana arakaraka ny fahamafisan’ny aretina. Amin’ny ankapobeny, fanafody arahina fanadiovana amin’ny fitaovana voatokana no fitsaboana ny aretin-tsofina toy izany.

1.1.3.2 Ny fandidiana

« Fandrasana nofo na fanapahana taova ao amin’ny tenan’ny olombelona mba hanalana ny aretina »21 no tondroina amin’ny fandidiana. Mety hamerina ny fandrenesana ny fandidiana, nefa izany dia miankina amin’ny toetoetry ny sofin’ny marary sy ny dingana efa misy ilay aretina 22 . Amin’izany, dia ametrahana ny antsoina hoe : « implant cochléaire »23 ao anaty sofin’ilay olona. Izy io dia fitaovana natao hamerenana ny fandrenesana. Fitaovana kely anankiroa no mandrafitra azy : voalohany, fitaovana toy ny fampielezam-peo kely, mora entina, apetraka ao anaty paosy na amin’ny fehikibo, ary mandray ny feo manodidina ; faharoa, fitaovana sahala amin’ny telefaonina, apetraka ao amin’ny taolana eo aorian’ny sofina amin’ny alalan’ny fandidiana. Mandray ny feo ampitain’ny fitaovana voalohany ity

20 www.medecineetsanté.com, op.cit tak 5 : « la cause majeure de la maladie de l’oreille et la déficience auditive réside dans la présece du cérumen dans le conduit auditif externe » 21 www.medecineetsanté.com, op.cit 22 www.medecineetsanté.com, op.cit, tak 18 : « une opération chirurgicale peut vous permettre de retrouver l’ouïe. Selon votre oreille et votre degré de perte ». 23 www.medecineetsanté.com, Ibid : « l’implant cochléaire est un appareillage qui vise à restaurer un certain niveau d’audition pour certaines personnes sourdes ». 17

farany, ary mampita izany ao amin’ny lalam-peo. Marihina fa mifampitohy ireo fitaovana roa ireo.

1.1.3.3 Ny fampiasana « appareils auditifs »

Ho famerenana ny fandrenesana ihany koa ny fampiasana ny « appareils auditifs ». Tsy ampiharana fandidiana ny fametrahana ny fitaovana amin’ny sofina. Misy karazany efatra ny fitaovana fampiasa : • Ny « contours d’oreille » : fitaovana apetraka ao ambadiky ny ravin-tsofina ary ampifandraisina amin’ny lalam-peo. Mora ampiasaina ary tsy manelingelina izy io. Manavanana ny olona kokoa ny mampiasa azy 24 . • Ny « intra-auriculaire » : fitaovana boribory na lavalava kely izy io ary mitovy refy amin’ny sofina. Apetraka ao amin’ny lalam-peo izy. Mila fitandremana ny fampiasana azy 25 . • Ny « aides auditives à boitier » : natao ho an’ny olona marenina tanteraka. Fitaovana apetraka eo ambonin’ny tratra ary ampifandraisina amin’ny anjataolana ao anaty sofina 26 . • Ny « lunettes auditives » : fanatsarana ny endriky ny « boitiers » ho toy ny tahon- tsolomaso ary arafitra tahaka ny « contours d’oreille » 27 .

Ahitana sokajy roa ireo « appareils auditifs » ireo : • Ny « appareils auditifs analogiques » : tsotra ny fomba fiasany ary tsy manivana ny feo manodidina. • Ny « appareils auditifs numériques » : manivana ny tabataba avy ety ivelany, ary manome izay feo ilaina 28 .

24 www.medecineetsanté.com, op.cit, tak 18 : « les contours d’oreille se sont placés sur le pavillon et reliés par une tube souple dans le conduit […] Ils restent majoritairement utilisés ». 25 www.medecineetsanté.com, Ibid : « l’intra-auriculaire est une oreillette qui se loge à l’intérieur de l’oreille dans le conduit auditif » 26 www.medecineetsanté.com, Ibid : « les aides auditives à boîtier sont utilisées par les personnes souffrant de surdité grave. Il peut être porté dans une poche à la hauteur avec un cordon le reliant à la partie portée dans l’oreille ». 27 www.medecineetsanté.com, op.cit, tak.18 : « les lunettes auditives : il s’agit en fait de monture de lunettes […] améliorer l’esthétique des boîtiers de certains types de contour d’oreille ». 28 www.medecineetsanté.com, op.cit, tak 18 : « les appareils auditifs analogiques provoquaient parfois des distorsions et la présence des sons inconfortables et tonalité désagréable […] sans séléctivité […]. Les appareils auditifs numériques analysent les sons et alternent entre les différentes pré-programmations ». 18

Manana ny safidiny ny olona tsirairay manoloana ny vahaolana mba hialana amin’ny tsy fandrenesana. Eto Madagasikara, noho ny fahefa-mividin’ny marary ambany dia ambany, dia ny fitsaboana ary ny fampiasana « appareils auditifs analogiques » no ironan’ny maro.

Raha fintinina ny voalaza momba ny marenina sy ny manodidina azy izay, dia hita fa miaina ao anatin’ny tontolon’ny fifandraisana hafa noho ny an’ny besinimaro ny marenina. Mety ho hatrany am-bohoka, na avy amin’ny aretina samihafa, na vokatry ny fitandremana no mahatonga ny tsy fandrenesana. Azo tanterahina tsara anefa ny fitsaboana ny sofina : fampiharana ny fandidiana na fampiasana « appareils auditifs » na fampiasana fanafody.

1.2 NY TANTARAN’NY SEKOLIN’NY MARENINA MIANKINA AMIN’NY FLM

Manana ny tantarany avokoa ny zava-drehetra. Tsy tongatonga ho azy izy ireny fa tao ny anton-javatra samihafa no niteraka azy. Ndeha àry hofantarina amin’izao manaraka izao ny tantaran’ny sekolin’ny marenina miankina amin’ny Fiangonana Loterana eto Madagasikara 29 . Hitory ny Filazantsara no antom-pisian’ny FLM, kanefa dia nanorina sekolin’ny marenina izy. Inona no nanosika ireo misionera norvezianina hanao izany? Nanahoana ny endriky ny sekoly voalohany tamin’izany? Ahoana ny fomba nanapariahana azy taty aoriana? Izany no hovahavahana ato amin’ity zana-pizarana ity.

1.2.1 Ny zava-nisy nanosika ny fanorenana

Nitondra ny distrikan’i tao anatin’ny Fiangonana Loterana Malagasy ny misionera norveziana Erick Anton BORDGENVIK ny taona 1935 ka hatramin’ny taona 1946. Ny taona 1938, hono, namangy tanàna iray tany ambanivohitra ity misionera ity. Nitatao vovonana ny andro, sady nafana be tamin’ny fotoana nahatongavany tao. Nangina ny tanàna. Tsy nahitana olona afa-tsy lehilahy iray, izay fantany avy hatrany fa jamba. Niarahaba azy mantsy ny misionera, fa tsy namaly ilay lehilahy. Naveriny indray ny fiarahabana, nefa mbola tsy nihetsika ihany ralehilahy. Dia hoy ny misionera taminy : « Mafana ny andro, ka tokony hitady aloka ianao ». Tsy mbola nahazo valiny ihany izy. Tamin’izay indrindra no nisy olona iray hafa tonga tao an-tanàna. Io no nanazava tamin’ilay misionera fa tsy jamba fotsiny ralehilahy io, fa marenina koa. Nangorakoraka ny fony.

29 Komitin’ny Sekoly Akanin’ny Marenina 67Ha, Tantaran’ny fahafolo taonan’ny AKAMA 67Ha , taona 1995, tak 3-10 19

Nieritreritra izy : « Raha jamba ihany izy, dia misy sekoly ho an’ireny eto Madagasikara, fa marenina koa izy ! Aty Madagasikara anefa dia tsy misy mihitsy izay mihevitra na mikarakara ny marenina ». Tamin’izay, nandre toy ny feon’Andriamanitra izy nilaza hoe : « Ianao no hikarakara ny marenina eto Madagasikara ». Nandeha ny taona, lasa ny fotoana maro, nefa, tsy nohadinoin’Ingahy Erik Anton BORDGENVIK ny fihaonany tamin’ilay lehilahy izay sady jamba no marenina. Etsy andanin’izany, nisy toe-javatra iray koa tena nahavariana. Tany Norvezy, tao amin’ny tanàna iray atao hoe : Trondhein, dia nisy vehivavy anankiray antsoina hoe : Barbara HANSEN. Mpampianatra ny ankizy marenina tao amin’ny sekoly iray, sady anisan’ny sakaizan’ny misionera mafana fo tokoa izy. Tsy nahafantatra an’Ingahy Erik Anton BORDGENVIK akory izy. Tonga nitsidika tao amin’ny sekoly niasany tao Trondhein ny misionera vavy iray hafa, antsoina hoe : Marie PINNERUD. Nifanena tamin- dRAKOTONOELY avy aty Madagasikara izay namita iraka tao amin’io sekoly io i Marie PINNERUD. Nanontany ny momba ny fiaimpiainan’ny marenina aty Madagasikara izy. Namaly an’i Marie PINNERUD RAKOTONOELY hoe: « Vitsy tokoa ny marenina hitako taty Madagasikara; angamba roa na telo. Tsy afaka mandroso loatra koa ny sekoly noho ny tsy fahampian’ny manam-pahaizana hampianatra ny marenina any Madagasikara ». Raha nandre izany ihany Ramatoa Barbara HANSEN, dia tsy nety afaka tao an-tsainy intsony koa ny marenina malagasy tsy nahita fianarana. Mpiandraikitra ny fampianarana ny marenina zokiny (T9) tao amin’ny sekoly nisy azy Ramatoa tamin’izay. Notantarainy tamin’ny mpianany ny momba ny marenina malagasy. « Inona no tokony hataontsika mba hanampiana azy ireo », hoy izy. Namaly ny mpianatra iray : « Mangataka amin’Andriamanitra handefa olona izay vonona hampianatra azy ». Nanontany indray ny mpampianatra : « inona sy inona no tokony hianarany ? » Namaly indray ny iray hafa : « Hianatra vakiteny sy soratra ary fahalalana an’Andriamanitra ». Hatramin’izay fotoana izay, nanomboka namory vola mba hoentina manorina sekoly ho an’ny marenina aty Madagasikara izy ireo. Nanainga ireo havana aman-tsakaiza koa mba hanampy azy ireo. Maro tokoa ny olona tamin’ny toerana samihafa nanerana an’i Norvezy no nanohana ny tetikasa nomena ny anarana hoe : « sekoly ho an’ny marenina any Madagasikara ». Efa voalaza teo aloha fa tsy fantatry Ramatoa Barbara HANSEN akory ny fikasan’Ingahy Erik Anton BORDGENVIK satria tsy nifankahalala izy ireo. Taty aoriana, noho ny fitondran’Andriamanitra, tafahoana ireo misionera roa ireo. Nanomboka teo ny fiaraha-miasan’izy ireo mba hanatsarana ilay tanjona iray lehibe, dia ny 20

fanorenana sekoly ho an’ny marenina aty Madagasikara. Nanorina fikambanana misionera iray koa Ramatoa Barbara HANSEN mba hanohana ny asa. Efa nodimandry ela izy, fa ny fikambanana naoriny mbola velona mandraka ankehitriny.

1.2.2 Ny niorenan’ny sekolin’ny marenina voalohany

Nandritra ny fotoana nakan’Ingahy Erik Anton BORDGENVIK rivotra tany andafy, dia nitety toerana nisy sekoly ho an’ny marenina izy mba hianarany ny fomba fampianarana azy ireo. Ny faramparan’ny taona 1947, tafaverina taty Madagasikara izy ary notendrena hitondra ny distrika Loharano 30 .

Sary 1 : Sarintanin’ny kaominin’Ambohimiarivo-Antsirabe II

30 Saritanin’ny kaominin’Ambohimiarivo-Antsirabe II Carte 0.49, Source F.T.M 21

Loharano dia tanàna iray ao anatin’ny fokontanin’i Betsiolany, kaominin’Ambohimiarivo, distrikan’i Antsirabe II, faritr’i Vakinakaratra. Toy izao ny lalana mankany raha miainga avy ao Antananarivo : mandray ny lalam-pirenena fahafito izay mirefy 168 km hatreo Antsirabe. Avy eo Antsirabe indray, dia miatsinanana ary mizotra manaraka ny lalan’i . 20 km no halaviran-dalana mandra-pahatonga ao Loharano, ary lalan-tany no izorana. Ireto avy ireo kaominina manodidina azy: - ao avaratra : ny kaominin’ - ao andrefana : ny kaominin’Antsirabe I - ao atsimo : ny kaominin’ Tao amin’io toerana io no nikasa hanorina sekoly ho an’ny marenina ity misionera ity. Tao rahateo koa ny sekolin’ny jamba, ka tsy dia sarotra ny fangatahana ny efitrano amin’ny fanombohana ny fampianarana. Nisalasala be ihany ny amin’ny fikasana hanorina sekoly anefa, na ny misionera, na ireo Malagasy mpiara-miasa taminy. Hoy ny sasany : « Toa tsy misy marenina firy eto Madagasikara. Tsy nahita izahay na dia iray akory aza ». Ny sasany kosa nanao hoe : « Ny sekoly ho an’ny ankizy mandre aza tsy ampy aty Madagasikara, nahoana no handany vola hanorina sekoly ho an’izay marenina ! ». Araka ny voalaza teo aloha moa, dia efa nanangona vola ireo sakaiza nôverziana. Eo koa ny vola natokan’ny misionera mba hoentina manarina ity sekoly vaovao ity. Kanjo, noho ny olana manokana momba ny devizy, dia tsy azo navoaka ho aty Madagasikara ny vola. Tsy nety kivy anefa ity misionera. Ny taom-baovao 1950, nandray mpianatra voalohany izy. Tsy iza izany fa RAKOTONOELY, zanaky ny Pastora Razakafoniaina avy any Antaolanomby Betafo. Tao amin’ny biraony tao Loharano no nampianarany azy. Azo lazaina fa tsotra dia tsotra ny niandohan’ny fampianarana ny marenina teto Madagasikara araka izany. Mahavariana anefa ny fitondran’Andriamanitra. Raha tsy azo ny vola hanaovana ny sekoly avy tany Norvezy, nihetsika ny fitondram-panjakana taty, ka namatsy vola hoentina manorina ny sekoly voalohany ho an’ny marenina. Ny volana mey 1951, vita ny trano anankiray izay mbola ao Loharano ankehitriny. Mahazaka mpianatra efapolo : mpianatra jamba roapolo, ary mpianatra marenina roapolo. Vitsy ihany ny mpianatra marenina tamin’ny voalohany, nefa nitombo tsikelikely ny isany. Arakaraka ny nahafantaran’ny olona ny fisian’ilay sekoly tao Loharano no nampitombo isa hatrany ny mpianatra. Afaka taona vitsivitsy, nahatratra efatra amby efapolo ny isan’ny mpianatra marenina tao Loharano. Noho izany, lasa tery ny trano. Ny taona 1954, naorina tany Mangarivotra (ambaniandrefana) ny sekoly vaovao ho an’ny marenina. Vola azo avy amin’ny FIDES (Fonds d’Investissements pour le Développement Economique et Social) tamin’ny alalan’ny fitondram-panjakana no nanaovana izany. Vita ny sekoly ny taona 1956, ary notokanana ny 22

23 jona 1956. Anisan’ny sekoly manara-penitra izy io, satria ahitana efitra fianarana, efitrano ho an’ny kilasimandry, ary trano fandrafetana ianaran’ny zazalahy. Ny taona 1966, napetraka ny vato fehizoron’ny trano vaovao lehibe iray ao atsimon-tanàna : fiaraha-miasan’ny misionera nôverziana sy ny synodam-paritany Avaratrimania io. Trano natao ho an’ny zazavavy kosa izy ity : Sekoly fikarakarana tokantrano ary manana efitrano ho an’ny kilasimandry ihany koa. Ny taona 1974, natolotra ho an’ny Fiangonana Loterana Malagasy ny fiandraketana ny sekolin’ny marenina izay nantsoina hoe : « Institut des Sours-muets ». Novana ho FOFAMA (Foibe Fanabeazana ny Marenina) ny anarany ankehitriny 31 .

1.2.3 Ny fanaparitahana ny sekoly

Tsy nijanona tao Antsirabe ihany ny sekoly fanabeazana ny marenina, fa miparitaka amin’ny faritra maromaro eto Madagasikara. « Fanolokoloana ny zaza mba hanomezana azy toetra tsara, ka hahatonga azy ho lehibe, ho olom-banona ny fanabeazana » azy ireny. Manan-jo rahateo ny marenina hitovy amin’ny besinimaro eo amin’ny lafiny fanabeazana. Ireto tanjona telo ireto no fototry ny fanaparihana ny sekoly : - fanangonana ny marenina mba tsy hirenireny fotsiny - fanabeazana ny marenina amin’ny lafiny manontolo, ara-batana, ara-tsaina ary ara- panahy mba hahatonga azy ireo ho olom-banona, tsy ho enta-mavesatra ho an’ny fianakaviany, fa hahaleo tena, hahavelom-bady aman-janaka. - hahatonga ny marenina rehetra hino an’i Jesosy Kristy ka hiova ho kristianina. Mba hanatrarana ireo tanjona ireo dia misahana tetikasa efatra ny Foibe Fanabeazana ny Marenina. Hovahavahana eto izany mialoha ny hanolorana ireo sekolin’ny marenina misy eto Madagasikara.

1.2.3.1 Ny tetikasa tanterahin’ny Foibe Fanabeazana ny Marenina

Voalaza teo fa misy tetikasa efatra tontosain’ny Foibe Fanabeazana ny Marenina mba hahatonga azy ireo ho afa-mijoro sy miatrika ny adidy aman’andraikitra manandrify azy. Ireto avy izany : ny lafiny fanabeazana, ny momba ny tontolo iainana, ny lafiny sosialy ary ny asa hafa.

31 Foibe Fanabeazana ny Marenina, e-mail : [email protected] 23

• Ny asa fanabeazana Ireto tanisaina manaraka ireto ny votoatin’izany asa fanabeazana izany. - fampianarana ny Tenin’ny Soratra Masina ; - fanabeazana ho an’ny marenina rehetra ; - fanatsarana ny fampianarana ; - fampiofanana ny mpiasa sy ny mpampianatra mba hahaizan’ny marenina rehetra mamaky teny sy manoratra ; - fahazoan’ny marenina mari-pahaizana toy ny zaza mandre ; - fampandraisana anjara ny mpianatra amin’ny zavatra atao ; - fanazavana hatrany sy fanatsarana ny fomba fampianarana ; - fampianarana momba ny fitantanana ; - fampianarana ny marenina hahay hampihatra ny zavatra nianarany amin’ny fiainana andavanandro ; - fampianarana mikasika ny VIH/SIDA Hita amin’ireo fa tsy latsa-danja amin’ny azon’ny olona mandre ny fahalalana omena ny marenina manana zo hobeazina toy ny olon-drehetra izy.

• Ny momba ny tontolo iainana Nomena lanja manokana ny mikasika ny tontolo iainana satria iaraha-mahalala ny hasarobidiny amin’izao vanim-potoana iainana izao. Ireto no atolotra ny marenina amin’izany: - fampianarana ny mpianatra hiaro sy hikajy ny tontolo iainana ; - fanentanana azy amin’ny fampiasana ny trano fivoahana ; - fampianarana ho tia fambolena voninkazo, voankazo, karazan-kazo samihafa ; - fampianarana ny marenina hampiasa ny harena voajanahary ; - fampidirana ho ao anaty fandaharam-pampianarana ny mombamomba ny tontolo iainana.

• Ny lafiny sôsialy Hiaina ao anaty fiarahamonina tsy reny sy tsy hainy ny marenina, ka tsy maintsy omena torolalana mba hahafahany miditra sy mifandray amin’ny mpiara-belona aminy. Izao indray no aroso azy amin’izany: 24

- fandraisana ny mpianatra marenina rehetra avy amin’ny lafy valon’ny Nosy hiditra an- tsekoly - fianarana Soratra Masina entina miady amin’ny fomba amam-panao mahazatra izay vato misakana amin’ny fampandrosoana ; - fampianarana tandrify ary azon’ny marenina rehetra - fanabeazana ara-pahasalamana

• Ny asa hafa Beazina hizaka tena ihany koa ny marenina mba tsy ho vesatra ho an’ny fianakaviany ary indrindra mba hahatsapany fa olombelona manana anjara toerana ao anaty fiarahamonina toy ny olona mandre izy na eo aza ny kilemany. - famoronana fitaovam-pianarana - fampianarana ny tenin’ny tanana amin’ireo olona izay liana amin’izany - fanamboarana fanaka

1.2.3.2 Ny sekolin’ny marenina misy eto Madagasikara

Ahitana sekoly fanabeazana marenina ny faritany enina eto Madagasikara. Toy izao ny taona nanorenana ny sekolin’ny marenina isam-paritra : - 1985 : niorina ny Akanin’ny Marenina (AKAMA 67ha) eto Antananarivo - 1990 : niorina ny Sekolin’ny Marenina Toamasina (SEMATO) - 1994 : niorina ny Sekolin’ny Marenina Morondava (SEMAMO) - 1997 : niorina ny Sekoly Fanabeazana ny Marenina Antsiranana (SEFAMA) sy ny Sekolin’ny Marenina Mahajanga (SEMAMA) - 1998 : niorina ny Sekolin’ny Marenina Fianarantsoa (SEMAFI)

Marihina fa ny sekolin’ny marenina ao Antsirabe, Antananarivo, Toamasina ary Morondava dia miara-miasa amin’ny mpamatsy vola. Mahaleo tena kosa ny Sekoly Fanabeazana ny Marenina any Antsiranana, Mahajanga ary Fianarantsoa. Mihamitombo ny isan’ny mpianatra amin’ireo sekoly ireo isan-taona. Atolotra eto ny fafana maneho ny isan’ny mpianatra marenina isaky ny faritra tsirairay tamin’ ny taona 2008. Miisa 559 ny mpianatra marenina teto Madagasikara tamin’io taona io : 283 ny zazalahy ary 276 ny zazavavy. Ao Antsirabe no betsaka mpianatra indrindra, ary ao Antsiranana no vitsy indrindra. 25

sekoly mpianatra lehilahy vehivavy ANTSIRABE 209 108 101 ANTANANARIVO 150 66 84 MORONDAVA 51 23 28 TOAMASINA 53 31 22 FIANARANTSOA 34 21 13 ANTSIRANANA 30 17 13 MAHAJANGA 32 17 15 TOTALINY 559 283 276

Fafana 1 : Ny isan’ny mpianatra marenina taona 2008. Loharano : Tahirin’ny sekoly AKAMA

Rehefa mahavita ny fianarana ireo marenina ireo, dia mitambatra ao amin’ny fikambanana antsoina hoe : « Federasionan’ny Marenina eto Madagasikara ». Fikambanana mahaleo tena tanteraka izy io ary tsy miankina amin’ny Fanjakana na ny Fiangonana Loterana. Ireo marenina efa miasa any amin’ny toerana samihafa any no nanorina azy. Zava-dehibe amin’izy ireo mantsy ny fifanampiana eo amin’ny samy marenina. Mikarakara fihetsiketsehana amin’ny fotoana ilana izany izy ireo.

Tsapa àry araka izay voalaza teo fa manampy betsaka tamin’ny fanorenana ny sekolin’ny marenina miankina amin’ny Fiangonana Loterana Malagasy ny misiônera nôrveziana. Tany am-piandohana, ny misionera mihitsy no nandray mivantana ny fampandehanana ny sekoly voalohany tao Loharano. Ankehitriny, nankinina amin’ny Fiangonana Loterana Malagasy ny fandraisana an-tanana ny sekoly, nefa mbola manohana hatrany ny misiônera. Tsy nitazam- potsiny ihany koa ny UNICEF sy ny Fanjakana. Ho fitsinjovana ireo marenina rehetra eto Madagasikara, dia naparitaka ny sekoly. Mifampiankina sy miara-miasa izy ireo.

1.3 NY SEKOLIN’NY MARENINA AKAMA SY NY TONTOLONY

Satry hampahafantarina avokoa ny mombamomba ny sekolin’ny marenina rehetra eto Madagasikara. Saingy noho ny asa voafetra dia ny sekoly Akanin’ny Marenina ao 67 Ha eto amin’ny faritr’Analamanga ihany no hatolotra etoana. Azo itarafana ny zava-misy any 26

amin’ny sekolin’ny marenina hafa rehetra koa mantsy izy. Hojerena amin’izany àry ny tantaran’ny sekoly AKAMA, ny firafitry ny sekoly ankehitriny, ary ireo mpiara-miasa amin’ny sekoly.

1.3.1 Ny tantaran’ny sekoly Akanin’ny Marenina

Tamin’ny taona 1985 no niorenan’ity sekoly ity. Maro ny dingana nolalovany nandritra izay 15 taona nisiany izay. Izany indrindra no tiana haseho amin’ity zana-pizarana ity. Fa mialoha izany, tsara ny hanazavana ny hevitry ny anarana hoe : AKAMA.

1.3.1.1 Ny hevitry ny anarana hoe : AKAMA

Manana ny fango na sary famantarana azy ny ankabeazan’ny sekoly na orinasa. Ireny no natao, dia ny mba hiavahana amin’ny maro. Tsy diso anjara amin’izany ny AKAMA fa manana ny fango na sary famantarana azy manokana. Toy izao izany sary izany :

Sary 2 : Sary famantarana ny sekoly AKA.MA

27

Manana mifanatona manome endrika trano na akany no asehon’ny sary. Izany no nahatonga ny fanalavana ny AKAMA hoe : « Akanin’ny Marenina ». Tsy nataotao foana ny sary famantarana toy izao, fa misy tokoa ny hevitra fonosiny. Araka ny famaritan-dRAJEMISA RAOLISON, « ny akany dia tranom-borona, izany hoe trano na tanàna nahaterahana »32 . Azo ambara izany fa toerana fanombohan’ny fiainan’ny marenina ny « Akanin’ny Marenina ». Manomboka eo amin’ny telo taona eo ho eo, dia mahazo miditra ao amin’ny Akanin’ny Marenina ny ankizy marenina. Ampianarina ny tenin’ny tanana, « ilay teny voalohany ho azy ireo », ary volavolaina mba hahaleo tena. Araka izany, tsy sekoly fotsiny ny sekoly AKAMA, fa naorina mba hampianarana sy handrindrana ny ho fiainan’ny marenina. Matoa moa manorina sekoly, dia ao ny tanjona hotratrarina amin’izany. Tany am-piandohana, natao ho fampianarana ny tenin’ny tanana mba hahaizan’ireo marenina mifanerasera, ary fanofanana azy ireo hahay asa tanana no neritreretina. Raha fehezina, dia fanampiana azy ireo hiatrika ny fiainany no nokendrena. Taty aoriana, araka ny fomba fitenenan’ny Malagasy hoe : « eo am-pandrasana no ahitana ny atiny », dia nivoatra izany tanjona izany. Rehefa nandinika ka nahita ny zava-nisy ny tompon’andraikitra, dia nahatsapa fa azo atao ny manome fampianarana feno mitovy amin’ny besinimaro ny marenina. Izany hoe tsy ny hanampy azy ireo fotsiny intsony no vina, fa ny hahatonga ireo marenina hizaka tena tanteraka : ara-batana, ara-tsaina ary ara-panahy. Tsy nijanona hatreo ny tanjona, fa misy koa ny vinavina ny amin’ny ho avy. Ireto avy izy ireo : - hahatonga ny marenina hivelatra ara-tsaina, ary hitombina ara-panahy ; - hanana toerana sahaza azy ireo eo amin’ny fiarahamonina sy ny firenena ; - hanangana orinasa manokana ho an’ny marenina. Araka izany, tsy natao ho sekoly fotsiny ny Akanin’ny Marenina ao 67Ha, fa fanomezana fanabeazana feno ho an’ny marenina mba hahafahan’izy ireo miatrika ny fiainany manontolo.

1.3.1.2 Ny nanorenana ny Akanin’ny Marenina voalohany

Tamin’ny taona 1966 no efa niheveran’ireo misionera ny hanorenana sekoly akanin-jaza ho an’ny marenina. Rehefa lehibe mahasaraka izy ireo aty aoriana, alefa hanohy ny fianarana any Antsirabe.

32 RAJEMISA RAOLISON, op.cit p.13, tak.41 28

Ny taona 1968 ka hatramin’ny taona 1970, nanomboka nampijoro ny sekoly akanin-jaza ho an’ny marenina teny Andohalo Ramatoa Elly Thorsen. Nanampy azy Ramatoa Rasoavonifarasoa Hélène. Tato aoriana, nihasimba ny trano teny Andohalo. Nafindra tao amin’ny trano Lapan’ny tovolahy kristiana tao Antsahamanitra ny sekoly. Nahazo efitrano iray tao izy ireo hantanterahana ny fampianarana satria tao ny toerana fivorian’ny fikambanan’ny marenina lehibe. Nanao fangatahana hanorina sekoly akanin-jaza ho an’ny marenina ny tompon’andraikitra. Novinavinaina tamin’izany fa ny havoana ampitan’ny dobo filomanosana tao Antsahamanitra no hanorenana azy. Tsy azo notanterahina anefa izany, satria efa natolotry ny misionera ho an’ny Fiombonan’ny Fiangonana Protestanta Malagasy (FFPM) io toerana io. Nitady vahaolana hatrany ny tompon’andraikitra, ka nanao fangatahana indray tany Nôrvezy mba hividy trano hatao sekoly akanin-jaza ho an’ny marenina. Namaly ireo fikambanana tany, fa trano vaovao no tiany homena ny « marenina malagasy », ary ao amin’izany trano izany no hatao ny fivorian’ny marenina lehibe vita fianarana. Nanomboka hatreo ny famoriam-bola. Tamin’ny taona 1972 ka hatramin’ny taona 1973, nanao fangatahana tamin’ny Fanjakana ny Komitin’ny Fiangonana Loterana Malagasy mba hahazo tany azo anorenana ny sekoly akanin-jaza ho an’ny marenina ny misiônera teto Antananarivo. Namaly ny Fanjakana fa misy tany ao 67Ha azon’ny Fiangonana hanaovana asa soa. Tapaka fa ao no hatao ny fanorenana ny sekoly. Ny taona 1982 no natomboka ny fanorenana ny trano tao 67Ha. Ramatoa Ingebjorg Finstad no anisan’ny angady nananana sy vy nahitana ny Akanin’ny Marenina. Olona be fitiavana, tena nahavita be teo amin’ny fanabeazana ny marenina, ary nandany ny fahatanorany sy ny fahanterany teto Madagasikara. Marihina fa ny taona 1951 no nahatongavany teto Madagasikara, herintaona taorian’ny nitsanganan’ny sekoly ho an’ny marenina tao Antsirabe. Tamin’ny taona 1985, vita ny « Trano A » izay nahitana efitrano Fiangonana, ary efitrano dimy hafa. Notokanana ny Akanin’ny Marenina teo ambany fiahian’ny Fiangonana Loterana Malagasy sy ny misionera. Fampianarana ho an’ny kilasy akanin-jaza no natao, ka rehefa lehibe dia alefa hanohy fianarana any Antsirabe izy ireo araka ny vinavina. Noho ny fangatahan’ny ray aman-dreny anefa, dia nekena ihany ny hanohizan’ny ankizy marenina ny fianarana tao 67Ha. Dimy volana taty aoriana no nitokanana ny trano nitarina izay misy efitra roa : efitrano iray ho amin’ny sampana famokarana toy ny zaitra sy ny tenona ; natokana hanaovana varotra fampisehoana kosa ny efitrano faharoa. 29

Vetivety foana dia feno mpianatra ny sekoly Akanin’ny Marenina. Tsy ampy intsony ny efitrano fianarana. Nikaro-dalana Ramatoa Ingebjorg Finstand mba hanitarana ny sekoly.

1.3.1.3 Ny fanitarana ny sekoly Akanin’ny Marenina

Tsy naharitra ela dia natomboka ny trano fanampiny. Tsy nitsahatra nisokatra ihany koa ny sekoly araka ny dingana samihafa. Toy izao no fisesin’izany fanorenana izany : - 1986 : fanokafana ny sekoly Fanabeazana Fototra araka ny fangatahan’ny ray aman- dreny. Nijoro ara-dalàna amin’ny Fanjakana ny sekoly araka ny fanomezan-dalana laharana 105 FAR tamin’ny 18/02/86. - 1989 : fahavitan’ny efitrano iray izay natokana ho amin’ny fandrafetana - 1992 : fananganana ny fanabeazana skotisma ho an’ny marenina - 1994 : fanokafana ny sekoly Ambaratonga Faharoa Fototra dingana voalohany - 1997 : fitokanana ny « Trano B » izay fanomezana avy amin’ny mpamatsy vola alemana. Tamin’io taona io ihany koa no nahazo fanomezan-dalana avy tamin’ny Fanjakana tamin’ny fanorenana ny Sekoly Ambaratonga Faharoa dingana voalohany : laharana 036 MINESEB tamin’ny 02/06/97. - 1998 : famoronana sekoly fampiofanana araka asa toy ny peta-kofehy, ny fandrafetana - 2001 : fametrahana sampana manokana, mahaleo tena momba io fiofanana araka asa io. - 2003 : fanokafana ny sekoly Ambaratonga Faharoa dingana Faharoa : taona faharoa (T10) - 2006 : fitokanana ny « Trano C » izay fanomezana avy amin’ny japoney, hanaovana sekoly teknika - 2009 : fanokafana ny Sekoly Ambaratonga Faharoa dingana faharoa (Lycée) « Akanin’ny Marenina ». Laharana 010/2009 MEN tamin’ny 12/02/09 ny fanomezan- dalana avy tamin’ny Fanjakana. Anisan’ny sekoly manara-penitra, araka izany, ny Sekoly Akanin’ny Marenina ao 67Ha. Sekoly filamatra ihany koa raha mihoatra amin’ireo sekolin’ny marenina rehetra eto Madagasikara. Mba hahazoana sary an-tsaina izany, ndeha hosoritsoritana ny sekoly Akanin’ny Marenina.

30

1.3.2 Ny sekoly Akanin’ny Marenina ankehitriny

Voasokajy ho ao anatin’ny fokontany 67Ha afovoany ny toerana misy ny sekoly Akanin’ny Marenina ao 67Ha atsimo. Ireto fokontany ireto no mamaritra azy: - ao andrefana : ny fokontanin’Andohatapenaka - ao avaratra : ny fokontanin’Ankasina - ao atsinanana : ny fokontanin’i 67Ha avaratra-andrefana - ampita atsinanana : ny fokontanin’Ambodin’Isotry Tafiditra ao amin’ny firaisana Antananarivo I izy. Voahodidina tamboho izay misy vavahady vy miloko mena ny sekoly. Eo am-pidirana, misy ny takelaby maneho ny mariky ny famantarana ny sekoly. Ireto avy no hita ao anatiny : - tokotany filalaovana sady fanaovana fanatanjahan-tena ; - trano lehibe telo : ny « Trano lehibe B » eo amin’ny ilany ankavanana, ny « Trano lehibe A » eo afovoany ary ny « Trano lehibe C » eo amin’ny ilany ankavia Toy izao ny drafitry ny sekoly raha jerena indray mitopy maso :

Zaridaina Tranolehibe C

Tranolehibe

Vavahadibe

A zaridaina

Vava -

hady Tokotany Tranolehibe B

Kisary 1: Ny drafitry ny sekoly

Ireo trano lehibe telo ireo dia voazarazara ho efitrano maromaro araka izao manaraka izao.  Ny « Trano lehibe B » dia ahitana rihana roa: • ny ambany rihana misy : - birao 3 31

- efitrano fianaran’ny Sekoly Ambaratonga Voalohany 5 - efitrano fianarana rafitra 1 • ny rihana voalohany ahitana: - birao 1 - efitrano famakiam-boky 1 - toerana fidiovana 1 - efitrano fianarana ho an’ny Sekoly Ambaratonga Faharoa 7 - efitrano fianarana zaitra 1 • ny rihana faharoa : efitranon’ny kilasimandry 2

 Ny « Trano lehibe A » misy rihana iray: • ny ambany rihana : - trano fisakafoanana 1 - toeram-pitsaboana 1 • ny ambony rihana : - fiangonana 1 - efitrano fianarana « informatique » 1

 Ny « Trano lehibe C » : rihana telo no mandrafitra azy • ny ambany rihana : - biraon’ny mpanara-maso 1 - lakozia 1 • ny rihana voalohany : - efitrano fianaran’ny sekoly tekinika 5 - efitrano fianarana sakafo 1 - laboratoara 1 • ny rihana faharoa : efitranon’ny kilasimandry 1

Raha fehezina, efitrano enina amby telopolo isa no mandrafitra ny sekoly Akanin’ny Marenina, ary ahitana ireto : - efitrano fianarana 17 - laboratoara 1 - efitrano famakiam-boky 1 32

- birao 5 - toeram-pisakafoanana 1 - efitrano fianarana rafitra 1 - efitrano fianarana zaitra 1 - efitrano fianarana « informatique » 1 - efitrano fianarana sakafo 1 - efitranon’ny kilasimandry 3 - efitrano Fiangonana 1 - toeram-pitsaboana 1 - toeram-pidiovana 1 - lakozia 1

Araka izany, hita ao amin’ny sekoly avokoa ny efitrano ilain’ny mpianatra marenina. Azo aravona ho telo izy ireo : ny efitrano fianarana, ny Fiangonana, ary ny efitrano ho an’ny kilasimandry. Natao izany mba hahafeno ny marenina eo amin’ny lafiny rehetra : ara-batana, ara-tsaina ary ara-panahy. Manefy azy ireo ihany koa izany mba hahay hifanerasera sy hifankazatra ary hiaina eo amin’ny tontolo misy azy.

1.3.3 Ireo mpiara-miasa amin’ny sekoly Akanin’ny Marenina

Drafitra asa goavana ny fanorenana ny sekoly Akanin’ny Marenina sy ny fampandehanan- draharaha ao aminy. Efa voalaza fa ny Fiangonana Loterana Malagasy no tompon’andraikitra voalohany misahana ny sekoly. Ny taotrano anefa, hono, tsy efan’ny irery, noho izany, ao ireo mpiara-miasa amin’izy ireo amin’ny fanatrarana ny tanjona. Azo sokajiana ho roa izy ireo : ireo mpiara-miombona antoka avy any ivelany, ary ireo mpanohana avy eto an-toerana.

1.3.3.1 Ireo mpiara-miombona antoka avy any ivelany

Fikambanana telo avy amin’ny firenena telo avy any ivelany no miara-miasa amin’ny sekoly Akanin’ny Marenina : - ny « Christian Blind Mission » (CBM) avy any Alemana no mpamatsy ara-bola. - ny « Norvegean Mission Society » (NMS) ao Nôrvezy no mpanorina ny sekoly sy manampy eo amin’ny lafiny fampianarana. - Ny vondron’olon-tsotra manome fanampiana avy any Danemarka. Dimy amby fitopolo isan-jaton’ny vola ampiasain’ny sekoly, dia avy amin’ireo firenena ireo. Marihina fa mpanohana ny sekoly hatrany am-piandohana ary mandraka ankehitriny izy ireo. 33

1.3.3.2 Ireo mpanohana avy eto an-toerana

Mizara telo ireo mpanohana avy eto an-toerana : ny ray aman-drenin’ny mpianatra, ny sekoly ESTIME ary ny Fanjakana. - ny ray aman-drenin’ny mpianatra : manohana ny sekoly amin’ny alalan’ny fandraisana anjara sy ny saram-pianarana. Dimy amby roapolo isan-jaton’ny vola mihodina no voasahan’izy ireo. - ny sekoly ESTIME izay fanafohezana ny « Engineering School of Tourism, Informatics, Interpreteship and Management ». Sekoly ambaratonga ambony ao Andavamamba izy io. Manampy ny mpianatra marenina amin’ny fianarana, ary mizara traikefa amin’ny fahalalana tokony hananan’ny marenina zo ny fananana azy, toy ny fampianarana solosaina, ny mekanika, ny fomba fitantanana. Mba ho fitia mifamaly, dia mampianatra ny tenin’ny tanana ho an’ireo mpianatra ao amin’ny sekoly ESTIME ny tompon’andraikitra ao amin’ny sekoly Akanin’ny Marenina. - ny Fanjakana : tsy mandray anjara amin’ny lafiny ara-bola ny Fanjakana. Mitovy amin’ny sekoly rehetra ny Akanin’ny Marenina, ka tolorany ireo fitaovam-pianarana amin’ny fotoana fizarana izany : boky, kitapo, kahie. Manaraka izany, manampy ny sekoly Akanin’ny Marenina koa ny Fanjakana amin’ny fanomanana ireo fanadinam- panjakana mba ho tontosa an-tsakany sy an-davany ny fanadinan’ny mpianatra marenina.

Ho famintinana ny fizarana voalohany, miavaka amin’ny besinimaro ny marenina noho ny fahavoazana eo amin’ny taovam-pandrenesana. Amin’ny maha olona azy anefa, manan-jo hiaina feno tahaka ny olona rehetra ny marenina. Ny fahatsapana izany no tsy nampisalasala ny misiônera hanorina ny sekoly ho an’ny marenina tao Loharano Antsirabe II. Tsy mijanona tao ny sekoly, fa nisandrahaka tany amin’ny faritra samihafa eo Madagasikara. Miisa fito izy ireo ankehitriny. Iray amin’ireny ny sekoly Akanin’ny Marenina ao 67Ha atsimo, eto amin’ny faritra Antananarivo izay iompanan’ny fandalinana. Sarotra tokoa ny lalana nizoran’ny sekoly tany am-piandohana, nefa, noho ny fitiavana sy ny finiavana tao amin’ireo mpiara-miasa avy any ivelany sy avy eto an-toerana dia mirindra tsara ny fiainan’ny sekoly. Na dia tsy mikarakara mivantana ny sekoly za ny misiônera amin’izao fotoana izao, dia manohana hatrany ny Fiangonana Loterana Malagasy izy amin’ny fampandehanana ny sekoly ho an’ny marenina eto Madagasikara.

34

2 FIZARANA FAHAROA

NY FITONDRANA SY NY FAMPIANARANA

AO AMIN’NY SEKOLY AKANIN’NY MARENINA

35

Amin’ny ankapobeny dia ny voka-panadinana ôfisialy no andrefesana ny fahombiazan’ny sekoly iray. Matetika no asongadin’ny tompon’andraikitra ny taham-pahafahan’ny mpianatra tamin’ny fanadinana rehefa hanao dokam-barotra ny sekoliny izy. Tsy ny trano mijoalajoala tokoa mantsy no tena maha sekoly ny sekoly, na dia misy fiantraikany any amin’ny fizotran’ny fampianarana aza ny tontolo isehoany. Mitana anjara toerana lehibe amin’ny fampandehanana ny fiainana an-tsekoly ny mpandraharaha, ny mpampianatra ary ny mpianatra: izy ireo no azo lazaina fa milina manome aina ny sekoly. Azo lazaina fa mamaritra ny fahombiazan’ny sekoly koa ny fandaharam-pianarana izay volavolaina ho an’ny mpianatra. Koa raha handinika ny endriky ny fampianarana ao amin’ny sekoly AKAMA isika, dia tsy azo lalovam-potsiny ireo zavatra ireo. Araka izany, hovahavahana voalohany eto amin’ity fizarana faharoa ity ny fitondran-tsekoly izay iankinan’ny fifandraisan’ireo mpandray anjara amin’ny asa fanabeazana. Hosoritsoritana aorian’izay ny fampianarana misy ao amin’ny sekoly Akanin’ny Marenina. Ny firesahana ny fitaovana ampiasaina amin’ny fampitana lesona no entina mamarana ity fizarana ity.

2.1 NY FITONDRANA AO AMIN’NY SEKOLY AKA.MA

Mba hahalavorary ny fiainana an-tsekoly dia nisy rafitra sy ny fandaminana isan-karazany najoro. Arakaraka ny fanarahana an-tsakany sy an-davany izany no isian’ny fifamatorana eo amin’ireo hasin-javatra rehetra mandrafitra ilay sekoly : ny mpandraharaha, ny mpampianatra, ny mpianatra. Hoy i J de ROSNAY : « ny rafitra dia vondrona ahitana hasin-javatra maromaro mifandray sy mifampiako ary mirindra noho ny tanjona hotratrarina »33 . Ny lamim-pitondrana hita ao amin’ny sekoly Akanin’ny Marenina no hojerena voalohany satria izany no iorenan’ny fampandehanan-draharaha. Hasian-teny koa ny sampam-pianarana ao mialoha ny hiresahana ny fandaharana asan’ny sekoly.

2.1.1 Ireo lamim-pitondrana arahina ao amin’ny sekoly

Karazan-drafitra telo no miantoka ny fampandehanana ny fiainan-tsekoly. Toy ny fahita amin’ny fitantanan-draharaha rehetra dia ahitana rafitra mpanapa-kevitra, rafitra mpanatanteraka ny sekoly Akanin’ny Marenina. Ankoatra ireo, dia ao koa ny rafitra arahina

33 J de ROSNAY, le microscope, vers une vision globale, Edition Seuil, Paris, 1975, tak 91 : « un système est un ensemble d’éléments en interaction dynamique, organisé en fonction d’un but ». 36

ao an-dakilasy. Samy manana ny singa mamorona azy ireo rafitra telo ireo ary miavaka tsara ny andraikiny araka izay hatolotra manaraka eto.

2.1.1.1 Ny rafitra mpanapa-kevitra

Tokana ihany ny rafitra mpanapa-kevitra ao amin’ny sekoly Akanin’ny Marenina: ny fivorian’ny sinôda lehiben’ny Fiangonana Loterana Malagasy. Iaraha-mahalala fa miankina amin’io fiangonana io ny sekoly. Araka izany, miainga avy ao amin’ny fivorian’ny Sinôda lehibe ny fanapaha-kevitry ny asa rehetra izay tanterahina ao. Ny synôda lehibe dia fivoriam-ben’ny Fiangonana Loterana Malagasy eran’i Madagasikara. Ahitana solontena avy amin’ny fiangonana tsirairay avy. Ny tanjona kendrena amin’izany dia ny fandinihana ireo asa fampandrosoana ny fiangonana. Anisan’ny votoatin-dresaka amin’izany koa ny fanapahan-kevitra amin’ireo tetikasa ho fampandehanana ny sekolin’ny marenina. Isan-taona ny fivoriam-ben’ny fiangonana. Raha toa anefa misy ny hevitra tokony hotapahina anelanelan’izay fotoana izay, dia manao fivoriana tsy ara-potoana ireo rafitra mpanatanteraka sy ireo mpikambana ao amin’ny synôda lehibe izay tratra antso.

2.1.1.2 Ireo rafitra mpanatanteraka

Azo sokajiana telo ireo rafitra mpanatanteraka : ny komity mpitantana, ny mpandraharaha nasionaly ary ny mpandraharaha ao amin’ny sekoly. Toy izao avy ny andraikitra sahaniny.

 Ny komity mpitantana Fikambanan’ireo vondron’olona ireto ny komity mpitantana : ny solontenan’ny misionera ary ireo mpandraharaha ao amin’ny sekoly. Mitantana ny fiainan-tsekoly izy ireo, ary manatanteraka ny hevitra tapaka tao amin’ny synôda lehibe.

 Ny mpandraharaha nasionaly Ny mpandraharaha nasionaly dia ny foibe fanabeazana ny marenina eto Madagasikara. Solontena roa avy amin’ireo sekolin’ny marenina miisa fito no mpikambana ao. Mandrindra ny fanabeazana ao amin’ny sekoly no asa sahanin’izy ireo, toy ny fampiofanana mpampianatra, ny famoronana fitaovam-pianarana ho an’ny marenina. Mitantana ny tetikasa izay azo avy amin’ireo mpiara-miasa ihany koa ny mpandraharaha nasionaly. 37

 Ny mpandraharaha ao an-tsekoly Ireo olona mandray anjara mivantana amin’ny fampandehanana ny sekoly no antsoina hoe mpandraharaha ao an-tsekoly : ny talen-tsekoly, ny mpitantsoratra, ny mpitam-bola, ny mpanara-maso, ary ny tompon’andraikitry ny kilasimandry. Samy manana ny andraikitra manandrify azy avy ny tsirairay amin’izy ireo araka izao ambara manaka eto izao.

• Ny talen-tsekoly Tompon’andraikitra voalohany amin’ny zava-miseho ao an-tsekoly ny tale. Noho izany, manara-maso ny fiainan-tsekoly izy ary manampy amin’ny fanatanterahana ireo tetikasa.

• Ny mpitantsoratra Andraikitra telo no sahaniny : mitahiry ny tantaran’ny sekoly izy. Mampifandray ny talen- tsekoly sy ireo mpandraharaha samihafa koa izy. Mandamina ny fotoana izay hihaonan’ny olona avy any ivelany amin’ireo mpandraharaha ao amin’ny sekoly izy.

• Ny mpitantam-bola Mitantana momba ny volan’ny sekoly sy ny vola avy amin’ny tetikasa azo avy amin’ny mpandraharaha nasionaly no andraikiny. Vehivavy roa no manatanteraka io asa io : ny iray mpitantsoratry ny vola ary ny iray mpitam-bola.

• Ny mpanara-maso Lehilahy iray no misahana ny andraikitry ny mpanara-maso ao amin’ny sekoly. Mikarakara ny mpampianatra sy ny mpianatra izy ary mifandray azy amin’ny ray aman-drenin’ny mpianatra.

• Ny tompon’andraikitry ny kilasimandry Vehivavy roa no miandraikitra ny kilasimandry. Manara-maso ny mpianatra kilasimandry no asan’izy ireo.

2.1.1.3 Ny rafitra arahina ao an-dakilasy

Ahitana ireo toko telo mahamasa-mahandro ireto ny rafitra arahina ao an-dakilasy : ny mpanaramaso, ny mpampianatra ary ny mpianatra. 38

 Ny mpanara-maso Araka ny voalaza tetsy ambony, mikarakara ny mpampianatra sy ny mpianatra ny mpanara- maso. Ireto avy no andraikiny amin’izany : • mandrindra ny fandaharam-potoanan’ny mpampianatra sy ny mpianatra amin’ny kilasy rehetra • manara-maso ny mpianatra amin’ny fotoanan’ny fakan-drivotra • mikarakara ny antontan-taratasin’ny mpianatra hiatrika fanadinam-panjakana • mamaha ny olana miseho ao an-dakilasy • mifanerasera amin’ny ray aman-drenin’ny mpianatra

 Ny mpampianatra Anisan’ny mifanerasera akaiky amin’ny mpianatra ny mpampianatra. Manana andraikitra lehibe amin’ny fanabeazana ny mpianatra izy amin’izany. Noho izany, mpampianatra mahavita fiofanana avokoa no mampita ny fahalalana ao amin’ny sekoly Akanin’ny Marenina. Isaky ny roa taona ny fampiofanana mpampianatra, ary mandefa ny isan’ny mpampianatra izay ilainy ny sekolin’ny marenina rehetra. Ny mpandraharaha nasionaly no tompon’andraikitra amin’izany fampiofanana izany. Matetika no manafatra mpampianatra hafa manam-pahaizana avy any ivelany izy arakaraka ny filan’ny mpampianatra. Ankoatra izany, misy ny fotoana ihaonan’ny mpampianatra rehetra ao amin’ny sekoly Akanin’ny Marenina mba hanaovana jery todika sy hanatsarana ny fampianarana : herinandro mialoha ny fidiran’ny taom-pianarana vaovao, ary isaky ny telovolana mandritra ny fotoam- pianarana. Teo aloha, ny olona manana mari-pahaizana « BEPC » no manaraka ny fiofanana ho mpampianatra. Ankehitriny, takina ny fananana mari-pahaizana « BACCALAUREAT ». Araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra, dia matotra kokoa ity farany, hany ka moramora ny fampitana ny fahalalana ho an’ny mpiofana. Miisa roapolo ny mpampianatra ao amin’ny sekoly Akanin’ny Marenina amin’izao fotoana izao : dimy ambin’ny folo ny isan’ny mpampianatra mandre, ary dimy no isan’ny marenina. Ny anton’izany dia mba hahamora ny fampianarana miteny ho an’ny mpianatra marenina ao amin’ny akanin-jaza. Toy izao ny fitsinjarana ireo mpampianatra ireo amin’ny ambaratonga samihafa ao amin’ny sekoly : - sekoly fanabeazana fototra : mpampianatra dimy (5) 39

- sekoly ambaratonga faharoa dingana voalohany sy dingana faharoa : mpampianatra efatra ambin’ny folo (14) - mpampianatra fanatanjahan-tena (1)

 Ny mpianatra Ny mpianatra no mameno ny toko telon’ny fiainana ao an-dakilasy. Tany am-piandohana, dia ny zaza marenina mipetraka eny amin’ny manodidina an’Antananarivo no noraisina. Ankehitriny, tsy mifidy na iza na iza ny fandraisana mpianatra, satria zon’ny marenina ny mpianatra. Na izany aza, ireo manaiky hanaraka ny fepetra ihany no raisina ho mpianatra ao amin’ny sekoly Akanin’ny Marenina. Miisa dimampolo amby zato ny mpianatra tamin’ny taom-pianarana 2009-2010. Toy izao ny fizaran’izany isan-kilasy isaky ny ambaratonga.

Kilasy Maternelle 12 e 11 e 10 e 9e 8eA 8eB 7e Lahy 3 6 3 3 3 5 2 7 Vavy 4 2 6 5 5 7 11 6 Totaly 7 8 9 8 8 12 13 13

Fafana 2 : Ny fitsinjaran’ny mpianatra ao amin’ny Sekoly Fanabeazana Fototra

Kilasy 6e 5e 4e 3e 1er e Terminale Lahy 6 4 2 1 0 0 Vavy 5 7 9 4 3 3 Totaly 11 11 11 5 3 3

Fafana 3 : Ny fitsinjaran’ny mpianatra ao amin’ny Sekoly Ambaratonga Faharoa

Marihina fa tamin’ny taom-pianarana 2009-2010, dia tsy nisy kilasy 2 nde , satria tsy nisy afaka BEPC sy 2 nde ny mpianatra tao amin’ny kilasy taona fahatelo tamin’ny taom-pianarana 2008- 2009.

40

Kilasy FT1 FT2 FA Lahy 0 2 0 Vavy 1 6 1 Totaly 1 8 1

Fafana 4 : Fitsinjarana ny mpianatra ao amin’ny Sekoly fianarana tekinika sy fianarana asa

FT1 : fianarana tekinika : zaitra na rafitra, taona voalohany FT2 : fianarana tekinika : zaitra na rafitra, taona faharoa FA : fianarana sakafo

Raha ampitahaina ny isan’ny mpianatra nandritra ny taom-pianarana telo farany, dia azo ambara fa tsy nahitana fiovana firy izany tao amin’ny sekoly Akanin’ny Marenina.

Taom-pianarana 2006-2007 2007-2008 2008-2009 2009-2010 Isan’ny mpianatra 145 147 150 150

Fafana 5: Ny isan’ny mpianatra teo anelanelan’ny taona 2006 hatramin’ny taona 2010

Tsy ampy hamaritana ny fahombiazan’ny sekoly ny fisian’ny mpianatra maro. Manampy izany ny tahan’ny fahafahan’ny mpianatra fanadinana. Nandritra ny taom-pianarana telo farany, dia tsapa fa miezaka tokoa ny mpianatra marenina mba hahazo ny mari-pahaizana avy amin’ny Fanjakana. Hita taratra koa ny fikelezana ainan’ireo mpampianatra hampitovy ny mpianatra marenina amin’ny besinimaro. Araka ny fanazavan’ny mpampianatra iray, moramora kokoa ny manomana ny mpianatra hanala fanadinana C.E.P.E noho ny fanadinana BEPC sy BACC. Rehefa eo amin’ny kilasy fahatelo sy kilasy famaranana mantsy ny mpianatra, dia mila fampiasana saina bebe kokoa. Tsy dia ampy eo amin’ny marenina anefa izany, hany ka mamerina hatramin’ny indimy izy ireo, vao afaka amin’ireo fanadinana ireo. Ity fafana ity no maneho ny tahan’ny fahafahana fanadinana ao amin’ny sekoly Akanin’ny Marenina nandritra ny taom-pianarana telo farany :

41

Taom-pianarana 2006-2007 2007-2008 2008-2009 CEPE 45,58% 45,58% 76,92% BEPC 36,36% 28,57% 09,09% BACC 20% 16,6%

Fafana 6 : Ny taham-pahafahana fanadinana tamin’ny telo taona nisesy

Mikatsaka ny hisian’ny fitoviana eo amin’ny samy mpianatra koa ny tompon’andraikitra eo amin’ny sekoly. Ampitaina sahady amin’ny mpianatra izany toe-tsaina izany. Ho fanehoana izany, dia manana fanamiana mitovy ny mpianatra ao amin’ny sekoly Akanin’ny Marenina. Toy izao ny mombamomba an’io fanamiana io : - aron’akanjo manga kely : anaovana rehefa amin’ny fotoam-pianarana. - fanamiana mihaja : anaovana isaky ny fiandohana sy fiafaran’ny herinandro. Natao samy hafa io fanamiana mihaja io arakaraka ny ambaratongam-pianarana. Lobaka fotsy sy ambany mainty ho an’ny ambaratonga voalohany. Ho an’ny ambaratonga faharoa dingana voalohany, dia miampy fehin-tenda io fanamiana io. Miampy palitao indray io ao amin’ny ambaratonga faharoa dingana faharoa. Araka ny fanazavana, dia fanazarana ny mpianatra mba hahafantatra fa rehefa mihalehibe dia miova ny fomba fiakanjo. - « tee-shirt » fotsy sy « short » manga : anaovana amin’ny fotoanan’ny fanatanjahan- tena.

Ampianarina ho olona tan-dalàna ihany koa ny mpianatra marenina. Noho izany, misy ny fitsipiky ny sekoly izay mifehy azy ireo. Voafintina ao anaty toko telo ny fitsipika : ny fitsipika momba ny ara-pinoana, ny fitsipika momba ny fifandraisana, ary ny fitsipika momba ny fotoana. Voarakitra ao anatin’ireo fitsipika ireo ny fifampifehezana ary ny sazy mifanandrify amin’izay mety ho fandikan-dalàna. Tsotra, fohy, mazava no nanoratana ny fitsipika mba ho mora azon’ny mpianatra. Araka ny nambaran’ny mpanara-maso, tsy dia mahatandrin-tena loatra ny mpianatra marenina, noho izany, mila hentitra eo amin’ny fampiharana ny fitsipika.

Ho fandravonana izay voalaza izay, manana lamim-pitondrana manokana ny sekoly Akanin’ny Marenina. Miara-miasa avokoa ireo rafitra mba hahalavorary ny fiainan’ny sekoly. 42

Mba hisian’ny filaminana ary hialana amin’ny fanjakan’i Baroa, dia apetrak’izy ireo mazava tsara fa teny ifampierana avokoa ny zavatra rehetra.

2.1.2 Ireo sampam-pianarana hita ao

Ambentin-dresaka matetika fa manan-jo mitovy amin’ny besinimaro ny marenina. Ho fanatanterahana izany, dia nosokafana ireo sampam-pampianarana izay heverina fa vitany sy ilainy. Araka izany, dia misy karazany telo ny sampam-pampianarana ao amin’ny sekoly Akanin’ny Marenina : ny fampianarana amin’ny ankapobeny, ny fiofanana araka asa sy ny asa famokarana, ny fanabeazana hafa. Amin’ny maha sekoly miankina amin’ny fiangonana azy, dia taranja manokana iombonana ny fampianaram-pinoana. Andeha hohazavaina tsirairay ny momba an’ireo.

2.1.2.1 Ny fianarana amin’ny ankapobeny

Ahitana sekoly ambaratonga telo tahaka ny sekolin’ny besinimaro ny ao amin’ny sekoly Akanin’ny Marenina : sekoly fanabeazana fototra, sekoly ambaratonga faharoa dingana voalohany, ary sekoly ambaratonga faharoa dingana faharoa. Araka ny fanazavana ombieny, dia mba hanampiana ny mpianatra marenina hialan’izy ireo amin’ny habadoana no tanjona amin’izany. Raha ny sekoly fanabeazana fototra no jerena, ankoatra ireo taranja hita amin’ny sekolin’ny besinimaro toy ny kajy, ny fahalalana tsotsotra, ny tantara, ny taranjan’ny teny, ny taranja fianarana miteny izay natao hanazarana ny ankizy amin’ny fampiasana ny vava. Tsy mazava tsara anefa ny teniny, saingy rehefa mamoaka feo mifanaraka amin’ny tenin’ny tanana tiany hambara izy, dia ampy izany, ary hatsaraina hatrany. Marihina fa mampihatra ny fomba fifampisoloana mpampianatra sahady ao amin’ny sekoly fanabeazana fototra ho an’ny marenina. Araka ny fanazavan’ny ny tompon’andraikitra, dia toe-javatra tsy mahazatra loatra izany, nefa tsy maintsy atao mba hitsinjovana ny mpampianatra. Tsy araky ny mpampianatra anankiray avokoa ny fampianarana ireo taranja ireo. Tsy mitovy amin’ny fomba fampitana lesona amin’ny mpianatra tomombana ara-batana mantsy ny fomba fampitana amin’ny mpianatra marenina : mandany fotoana betsaka ary mamizana satria tsy maintsy averimberina. Ho fandaminana izany no nampiharana ny fifampisoloana mpampianatra. Mitazona ny taranja izay manavanana azy ny mpampianatra tsirairay, ary ny fakan-drivotra no manelanelana ny fifampisoloana. Tsy ny kilasy rehetra 43

anefa no ampiharana izany, fa hatreo amin’ny kilasy fahatelo ihany. Ahitana fahombiazana ny fanatanterahana io fomba io, saingy manahirana ny fandrindrana ny fandaharam-potoana. Tsy nindramina na nalaina tahaka avy any an-toeran-kafa io fifampisoloana mpampianatra io, fa nateraky ny fandinihana ny vokatra azo tamin’ireo mpampianatra teo aloha efa za-draharaha. Marihina fa mampihatra io fomba io koa ny sekolin’ny marenina iray any Alemana. Eo amin’ny sekoly Ambaratonga Faharoa indray, dia sahala amin’ireo sekoly rehetra ihany izany hoe mpampianatra iray isan-taranja. Mampianatra eo amin’ny kilasy manomboka ny taona fahenina ka hatramin’ny kilasy famaranana ireo mpampianatra isan-taranja noho ny tsy fahampian’ny mpampianatra. Hoy ny mpampianatra malagasy iray : mahatsara ny mpianatra marenina ny fanarahana azy mba hitohizan’ny fanaraha-maso, ary hahamora ny fanitsiana ireo fahadisoana ataon’ny mpianatra. Na izany aza, maniry hatrany izy ireo ny mba hampitomboana isa ny mpampianatra.

2.1.2.2 Ny fiofanana araka asa sy ny asa famokarana

Araka ny fahitana ny zava-misy, tsapa fa votsa saina indraindray ny mpianatra marenina. Noho izany, betsaka ireo mpianatra no tsy mahatody hatramin’ny farany ny fianarana ankapobeny. Mba ho fitsinjovana azy ireo no namoronana ny fiofanana araka asa., Tsy ny hahaizan’ireo mpianatra ny asa fotsiny no tanjona, fa indrindra ny ho fanampiana azy ireo amin’ny asa fivelomany rahatrizay. Ireto avy ireo fiofanana misy ao amin’ny sekoly : rafitra ho an’ny zazalahy, peta-kofehy, zaitra ho an’ny zazavavy ary fianarana sakafo, « informatique », « multimedia » ho an’ny sokajy rehetra. Alohan’ny hanarahan’ny mpianatra ny fiofanana, dia ny mpandraharaha ao amin’ny sekoly no manapa-kevitra ho amin’izany, satria izy ireo no mahalala ny momba ny mpianatra tsirairay. Raha toa anefa, misy ireo mpianatra te handalina mikasika ny rafitra sy ny zaitra, dia alefa any Antsirabe izy ireo. Momba ny asa famokarana indray, dia tafiditra ao anaty fandaraham-pianarana izany, ary ny mpianatra rehetra no mianatra. Tsy mitovy amin’ny fiofanana araka asa anefa no atao, fa fahalalana tsotsotra ihany. Izany no ianarana dia ny ho fanampiana ny fidiram-bolan’ny mpianatra. Misy ny varotra fampisehoana amin’ny fotoana ilana azy.

44

2.1.2.3 Ny fanabeazana hafa

Tsy ampy amin’ny fampivelarana ny maha olona eo amin’ny mpianatra marenina raha ny fianarana ankapobeny fotsiny, fa ilaina koa ny fanabeazana hafa. Tafiditra ao anatin’izany : ny fanabeazana skoty, ny fianarana zava-kanto, ny famakiana boky, ary ny fanatanjahan-tena. Samy manana ny tanjona tratrariny avy ireo fanabeazana ireo. Fampianarana ny mpianatra marenina ho sahisahy ary fampahafantarana ny fiainana hafa toy ny fiainana any an-dasy na ny fiainana any anaty ala no kendren’ny fanabeazana skoty. Ny fianarana zava-kanto dia mikendry ny fampivoarana ny talenta ananan’ny mpianatra toy ny dihy, ny tantara misy fihetsika. Ny famakiana boky kosa dia natao hampivoarana ny fahaiza-miteny. Manampy ny mpianatra koa izy amin’ny fandrafetana fehezanteny rehefa manoratra. Fampivelarana ny toe-batana sy fitaizana ny mpianatra marenina mba hahay hisedra zava- tsarotra eo amin’ny lafiny ara-tsaina no kendren’ny fanatanjahan-tena.

2.1.3 Ny fandaharana asan’ny sekoly

Manana fandaharana asa raikitra isan-taona ny sekoly Akanin’ny Marenina. Lafin-javatra telo no kendrena amin’izany : ny fampitomboana ny firaisan-kinan’ny mpianatra, ny fampahafantarana ny tontolo manodidina ary ny fampiainana ny mpianatra ao anatin’ny tontolon’ny zava-boaary. Tetikasa telo no tanterahina ho fanatrarana ireo tanjona ireo : ny fitsidihana toerana iray, ny fitsangantsanganana, ny lasy fiofanana. Ny fanampiana avy any amin’ireo mpiara-miasa no miantoka ny fandaniana amin’izany. Raha sanatria misy ny tsy fahampiana, dia ampandraisina anjara ny ray aman-drenin’ny mpianatra. Toy izao ny momba ireo tetikasa ireo.

2.1.3.1 Ny fitsidihana toerana iray

Mikarakara manontolo ny fahatomombanan’ny fitsidihana ny mpandraharaha ao amin’ny sekoly. Misafidy toerana iray manan-tantara izy ireo. Alohan’ny famaranana ny fampianarana telovolana voalohany no anatanterahana izany. Mandray anjara amin’ny fitsidihana ny kilasy rehetra ao amin’ny sekoly.

45

2.1.3.2 Ny fitsangantsanganana

Fiarahan’ny ray aman-dreny sy ny kilasy rehetra ary ny mpandraharaha ao an-tsekoly ny fitsangantsanganana. Mandray an-tanana ny fikarakarana ny ray aman-drenin’ny mpianatra. Mialoha ny fialan-tsasatry ny telovolana faharoa no anatanterahana izany.

2.1.3.3 Ny lasy fiofanana

Ny mpandraharaha ao amin’ny sekoly no tompon’andraikitra amin’ny lasy fiofanana. Tsy ny kilasy rehetra no mandeha amin’izany, fa ny kilasy fahefatra ka hatramin’ny kilasy famaranana ary ny kilasy tekinika. Tontosaina alohan’ny famaranana ny taom-pianarana ny lasy fiofanana. Ankoatra ireo fandaharana asa ireo, dia mandefa ny mpianatra hanao fifaninanana ara- panatanjahan-tena koa ny sekoly. Ny anton’izany dia ho fanazarana ny marenina hifanerasera amin’ny olona hafa.

Fehiny : Ahitana fandaminana isan-karazany ny fifampitondrana ao amin’ny sekoly AKA.MA : eo amin’ny lamim-pitondrana, eo amin’ny fandrindrana ireo sampam-pianarana samihafa ary ny fandaharana asan’ny sekoly. Tsapa ho tsy mikely soroka tokoa ny mpandraharaha ao amin’ny sekoly amin’ny fanomezana fanabeazana feno ho an’ny mpianatra marenina mba hahatonga azy ireo ho olom-banona ary tsy ho vesatra ho an’ny fiarahamonina.

2.2 NY FAMPIANARANA MISY AO AMIN’NY SEKOLY AKA.MA

Araka ny efa voalaza, manan-jo hahazo fanabeazana feno ny marenina. « Ny fanabeazana dia fototra lehibe tsy azo hamaivanina eo amin’ny fampivelarana sy fivoaran’ny isam- batan’olona »34 . Mba hampifanandrify ny fanabeazana ny marenina amin’ny fanabeazana omena ny tomombana ara-batana dia ny fandaharam-pianarana navoakan’ny Fanjakana ihany no ampiharina ao amin’ny sekoly Akanin’ny Marenina. Ny fandaharam-pianarana mantsy dia mirakitra ny tanjona fanabeazana. Tsy ny fandaharam-pianarana rehetra anefa no ampahafantarina, fa ny fampianarana ny taranja malagasy ao amin’ny sekoly Ambaratonga faharoa, dingana faharoa ihany. Lafin-javatra telo no hovahavahana amin’izany : ny tanjon’ny

34 DOTTRENS, Tenir sa classe , tak 1 : « l’éducation, est(…) considérée comme la condition préalable à tout progrès ». 46

fandaharam-pianarana eo amin’ny taranja Malagasy, ny votoatin-desona araka ny fanatanterahana izany tao amin’ny sekoly ary ny fanatontosana ny tombana.

2.2.1 Famahavahana ny tanjon’ny fandaharam-pianarana eo amin’ny taranja Malagasy

Tahirin-kevitra fototra eo amin’ny rafi-panabeazana ny fandaharam-pianarana ; ao no ilazana ireo tanjona tian-kotratrarina. Misy lafiny telo izany tanjona izany : ny zava-kendrena, ny tanjona ankapobeny, ny tanjona manokana.

2.2.1.1 Ny zava-kendrena

« Ny zava-kendrena dia famaritana sy fivoizana ny soatoavina izay fototra mampiavaka ny fiarahamonina iray. Maneho ny tondrozotra ifehezana ny rafi-panabeazana iray koa ny zava- kendrena »35 . Zava-dehibe efatra no asongadin’ny zava-kendrena eo amin’ny taranja Malagasy araka ny voasoratra ao amin’ny fandaharam-pianaran’ny sekoly Ambaratonga Faharoa dingana faharoa : - hahalala ny kolon-tsaina sy ny rafi-pisainana malagasy manaraka ny fivoaran’ny tantara ; - ho afaka mitia sy mikolo ary mandalina ny haren-tsaina malagasy, no sady afaka misokatra amin’ny haren-tsain’ny hafa ; - ho matotra eo amin’ny serasera amin’ny lafiny hevitra isan-karazany, sady mahay mihaino, no afaka maneho mazava sy manohana ny heviny ; - hanana saina liana amin’ny fivoarana sy tia ny fandrosoana ho amin’ny tsaratsara kokoa hatrany. Araka izany, fanomanana ny mpianatra ho olom-pirenena sady mahatsangy no ary ny fandaharam-pianarana ny taranja Malagasy. Fitaovana mahomby ahafahana mamolaka sy mifehy ny fahalalana, ny fahaiza-manao ary ny tekinika ka anabeazana feno ny maha olona sy ahazoa-mivelatra eo amin’ny lafim-piainana rehetra.

35 HAMELINE, les objectifs pédagogiques , ESF, Paris, 1979, tak 97 : « Une finalité est une affirmation de principe à travers laquelle une société (ou un groupe social) identifie et véhicule ses valeurs. Elle fournit des lignes directrices à un système éducatif et des manières de dire aux discours sur l’éducation ». 47

2.2.1.2 Ny tanjona ankapobeny

I HAMELINE dia namaritra ny tanjona ankapobeny ho filazana izay toe-javatra ifantohan’ny fampianarana. Izany dia aseho amin’ny alalan’ny fahaizan’ny mpianatra maneho ny vokatra andrasana amin’ny ampahana fampianarana iray 36 . Ireto avy ny tanjona ankapobeny amin’ny fampianarana ny taranja malagasy ao amin’ny Ambaratonga Faharoa dingana faharoa. Ny mpianatra mahavita ny ambaratonga fahatelo dia afaka : - mitia sy mikolo ary miaro ny haren-tsaina malagasy ; - manana saina matotra sy tia mandanjalanja ary tia karokaroka ; - manaporofo ny fananany saina mahay mamakafaka ary maneho sy manohana ny heviny ; - mikirakira sy mampiasa ny teny malagasy amin’ny maha-fitaovam-panehoan-kevitra sy fifaneraserana azy ; - manakatra ny lanjan’ny haren-tsain’ny firenen-kafa, ary misokatra amin’ny fahalalana iombonan’ny zanak’olombelona.

2.2.1.3 Ny tanjona manokana

I Marc André NADEAU dia mamaritra ny tanjona manokana ho filazana ny fiovana sy ny fanovana andrasana amin’ny mpianatra aorian’ny asa na sehom-pampianarana iray 37 . Sokajiana ho telo ny tanjona manokana : - Tanjona ara-pahalalana : fampahafantarana ny mpianatra zavatra mbola tsy fantany na fanatevenana ny fahalalana efa ananany. - Tanjona ara-pahaiza-manao : fijerena ny ambaratongan’ny fandravonana sy famoronana, ny fahaiza-mikirakira, ny fahatselahan’ny saina, ny fahavitan’ny asa. - Tanjona ara-toetra amam-pihetsika : fambolena fiontanana na fihetsika vaovao eo amin’ny fitondran-tena ankapobenin’ny mpianatra. Iaraha-mahalala fa kilasy telo no mandrafitra ny Ambaratonga faharoa Dingana faharoa : ny kilasy faharoa, ny kilasy voalohany ary ny kilasy famaranana. Samy manana ny tanjona manokana ireo kilasy ireo eo amin’ny fampianarana ny taranja Malagasy. Andeha haroso eto ireo tanjona manokana ireo arakaraka ny kilasy.

36 HAMELINE, op.cit, p2.p 92 : « Un objectif général est un énoncé d’intention pédagogique décrivant en terme de capacité de l’apprenant l’un des résultats escomptés d’une séquence d’apprentissage ». 37 Marc André NADEAU, Mesure et évaluation des objectifs pédagogiques , 1975, 48

 Ny kilasy faharoa

Tanjona ara-pahalalana Tanjona ara-pahaiza-manao Tanjona ara-toetra amam-pihetsika afaka : afaka : afaka : - mamaritra sy manavaka ny literatiora araka - manavaka ny literatiora araka ny votoatiny - mankafy ny kanto ; ny karazany ; sy ny fomba fanatontosana azy ; - manaiky sy matoky ny tenany fa mahavita - mamaritra ny antsoina hoe : kanto ; - manakatra ny hevitra ao amin’ny lahatsoratra zavatra ka manaja ny maha izy azy ary mitia - mamantatra ny literatiora isam-banim- hadihadina ; sy mikolo izany ; potoana ; - misintona lesona avy amin’ny fandihadiana - manana fahasahiana haneho am-panajana ny - mamantatra ny hevi-dehibe misongadina ; ny endri-pandrosoana ; fijeriny ary mandray fitenenana - mamantatra ny atao hoe “fandrosoana” ; - maneho ny heviny mikasika ny toe-javatra ; imason’olona ; - mamantatra ny famaritana ny fahafahana - manakatra ny hevitra raketin’ny fahafahana amin’ny alalan’ny fandihadiana ny tahirin- avy amin’ny fanadihadiana mivantana na kevitra. fandalinana ; - mahafolaka ny famintinan-dahatsoratra.

Fafana 7 : Ny tanjona manokana ao amin’ny kilasy faharoa

49

 Ny kilasy voalohany

Tanjona ara-pahalalana Tanjona ara-pahaiza-manao Tanjona ara-toetra amam-pihetsika afaka : afaka : afaka : - mamaritra sy manavaka ny literatiora - manatsoaka ny fivoaran’ny tantaran’ny - mankamamy vaky boky mba hanabe voho araka ny karazana ; literatiora ; ny vakomanitra ananany, indrindra eo - mamaritra ny antsoina hoe : kanto - mijery ny lafiny kanto amin’ny tantara foronina ; amin’ny sehatry ny literatiora ; - mamantatra ny fiheverana fototra ny - manadihady mikasika ny mpanoratra manokana ; - mampiasa ny fahalalana norantoviny ho amin’ny marina, ny rariny, ny hitsiny - mandinika ireo lafin-javatra mampiavaka ny fitaovana hamohazana ny talentany na - mamantatra ny fiheverana fototra ny mpanoratra amin’ny asa soratra ; hamolahana ny haiforona eo amin’ny sehatry amin’ny fahalalana sy ny fahendrena ; - manazava ny asa soratra miainga amin’ny ny literatiora ; - mamaritra ny antsoina hoe « hasina » tantaram-piainan’ny mpanoratra ; - mandrindra ny fihetsiny amin’ny - mamaritra ny antsoina hoe - manombana ny lanja omen’ny fiarahamonina ny soatoavin’ny fiarahamonina misy azy sy ny « tanindrazana » fahalalana sy ny fahendrena eo amin’ny fiainana ; fifandraisany amin’ny mpiara-belona aminy ; - manasongadina ny nihavian’ny fiheverana fototra - mifehy ny endri-pifandraisana sy sy amin’ny hasin’ny tanindrazana ; fifaneraserana ara-kevitra : mihaino ny hevitry - misintona lesona avy amin’ny votoatim- ny hafa ary maneho sy manohana ny heviny pahalalana azon’ny mpianatra. na an-tsoratra na am-bava.

Fafana 8 : Ny tanjona manokana ao amin’ny kilasy faharoa 50

 Ny kilasy famaranana

Tanjona ara-pahalalana Tanjona ara-pahaiza-manao Tanjona ara-toetra amam-pihetsika afaka : afaka : afaka : - mitanisa ny hevitra fototra mibaiko ny - mampifandray ny endriky ny literatiora - manabe voho ny vakomanitra ananan’ny literatiora amin’izao fotoana izao ; amin’ny votoatiny ; literatiora malagasy ; - mifehy ny tantaran’ny literatiora - mamaky ny asa soratra manaraka ny - mitia sy mikolo ny haren-tsaina malagasy - mahafantatra ny rafi-pisainana malagasy ny ambaratonga ; ary manaja ny an’ny hafa ; amin’ny fiheverany ny olombelona sy ny - manasongadina ny lafiny kanto ao amin’ny - mandanjalanja ny fihetsiny amin’izay rehetra fifampitondrany ; asa soratra ; ataony sy amin’ny fifandraisany amin’ny - mamaritra ny lafin-kevitra ifotoran’ny - mamakafaka ny hevitra fototra ilafihan’ny manodidina. finoana ny tsiny sy ny tody mba hahaizana hery tsy hita ; mamadika izany ho hery azo fehezina hoenti- - manakatra ny hevitra fototra ilafihan’ny mampivelatra ny maha olona ; fiheveran’ny malagasy ny amin’ny aina sy ny - mamantatra ireo karazan-kery inoany fa tontolo misy azy ; mifaningotra amin’ny zotram-piainany ; - mahay mampiasa ny kolon-tsaina tsy ho - mamantatra ny fiheverana ny amin’ny hery sakana amin’ny fampivelarany ny tenany sy inoana fa mitantana ny fiainany ary antoky ny ny manodidina azy. fisiany.

Fafana 9 : Ny tanjona manokana ao amin’ny kilasy famaranana 51

Fehiny : Ireo naseho anaty fafana ireo ny tanjona amin’ny fampianarana ny taranja Malagasy ao amin’ny sekoly Ambaratonga Faharoa dingana Faharoa. Tsapa fa miompana indrindra amin’ny fanofanana ny maha olona, ary ny fanomanana ho olom-pirenena ny fandaharam- pianarana amin’izany.

2.2.2 Famahavahana ny votoatin-dresaka

Ny votoatin’ny fandaharam-pianarana dia izay rehetra tokony hampianarina mba hahafahana manatratra ny tanjon’ny fanabeazana. Mba tsy handehanan’ny mpanabe an-jambany amin’izany fampianarana izany, dia tsy misaraka amin’ny fandaharam-pianarana. Izany no nahatonga ity mpandinika iray ity hilaza fa « sehatra midadasika ahitana ezaka tokony hotanterahina eo amin’ny fanabeazana ny fandaharam-pianarana (…), famaritana ny adidy tsy maintsy sahanin’ny olon-drehetra, fanazavana ireo hevi-dehibe amin’ny votoatin’ny fampianarana, fanehoana ireo fototra ilaina amin’ny fandanjana ny fivoarana, fanolorana ireo singa samihafa ilaina amin’ny fomba fampitana sy ny fitaovana isan-karazany, ary ny fototra ara-pedagôjika mifanaraka amin’izany (…) 38 ». Hevi-dehibe telo no hodinihina ao amin’ity famahavahana ny votoatin-desona ity : ny zana- taranja ianarana, ny fitsinjaran’asa tontosain’ny mpampianatra taranja malagasy, ny dingana arahina amin’ny fanatanterahana ny lesona.

2.2.2.1 Ny zana-taranja ianarana

Mitsinjara ho zana-taranja telo ny fianarana teny amin’ny ankapobeny : ny fitsipiky ny teny, ny literatiora, ary ny riba. Ny roa farany no hita misongadina fa mandrafitra ny fandaharam- pianarana ao amin’ny sekoly ambaratonga faharoa dingana faharoa. Hohazavaina manaraka ny momba ireo zana-taranja ireo.

a) Ny literatiora Ny literatiora dia zava-kanto vita amin’ny teny soratana na tenenina. Raha io famaritana io no raisina, dia misy karazany roa ny literatiora : ny literatiora am-bava, ary ny literatiora an- tsoratra. Hojerena tsirairay ny amin’ireo.

38 Zoltant BATHORY, « un nouveau type de programme scolaire » in Perpective n°57, UNESCO, 1965 : « (…) le programme est la partie absolument essentielle du corps central de documents éducatifs (…), décrit les tâches à accomplir, définit les grands axes du contenu de l’enseignement, établit les principes de base de système d’évaluation, dénonce des données essentielles de la méthodologie et énumère les matériels et les ressources pédagogiques dont l’utilisation est recommandée (…) » 52

• Ny literatiora am-bava Ny literatiora am-bava voalaza eo amin’ny fandaharam-pianarana dia fitrandrahana ny famaritana, ny karazany, ny literatiora talohan’ny taona 1820. Ny kilasy faharoa ihany no mianatra ny literatiora am-bava. Tsy misy fitohizana ao amin’ny kilasy voalohany sy ny kilasy famaranana izany.

• Ny literatiora an-tsoratra Hoy i J.P. SARTRE : « Misy ny tontolo, ary miteny ny mpanoratra, izay no atao hoe : literatiora »39 . Toy izao ny tanjona ankapoben’ny fampianarana literatiora malagasy : - hahafehezan’ny mpianatra ny famakiana literatiora takin’ny fahazoana, izany hoe ny fahaizany nampifanaraka ny fomba famakiana amin’ny fihetseham-po sy ny fahazotoana no takina amin’ny mpianatra mahavita ny kilasy famaranana. - hahazoan’ny mpianatra ny tantaran’ny asa soratra manaraka ny fifanjohian’ny fotoana ary ny fivoaran’izany sy ny endriky ny literatiora nandritra izay vanim-potoana takina aminy. - hahatsapan’ny ankizy fahafinaretana amin’ny kolontsaina malagasy, ka hahatonga azy ho tia sy hiaina ary hanabe voho izany.

Ireto avy ny literatiora an-tsoratra voarakitra ao anaty fandaharam-pianarana : - Ny tantaran’ny literatiora : fianarana vanim-potoana samihafa ka ijerena ireo zava- misy mandrafitra ilay vanim-potoana iray teo amin’ny lafiny fiarahamonina, ny toe- karena, ny teti-pitondrana. Aseho ao koa ireo mpanoratra sy ny asa soratra nalaza nandritra ilay vanim-potoana, ary ny tara-kevitra novoizina tany anatin’ny asa soratra samihafa nandritra io vanim-potoana io ihany. Toy izao izany raha fintinina anaty fafana.

39 Jean Paul SARTRE, Qu’est ce que la littérature , Edition gallimard, 1975, tak.243 : « le monde existe, l’écrivain parle, voilà la littérature » 53

kilasy faharoa kilasy voalohany kilasy famaranana Ny zana-banim-potoana Ny zana-banim-potoana Ny zana-banim-potoana teo anelanelan’ny taona teo anelanelan’ny taona 1972 – ankehitriny : 1820-1929 : 1930-1972 : • 1972-1991 • 1820-1896 • 1930-1945 • 1997- • 1897-1915 • 1945-1960 • 1915-1922 • .1960-1972 • 1922-1929

Fafana 10 : Ny tantaran’ny literatiora malagasy ao amin’ny fandaharam-pianarana

- Ny momba ny mpanoratra : fianarana ny mombamomba ny mpanoratra no atao amin’izany : ny tantaram-piainany, ny asa sorany, mifandraika amin’ny lohahevitra banjinin’ny fandaharam-pianarana isan-kilasy. Mpanoratra telo no dinihin’ny mpianatra : - RADO na Georges ANDRIAMANANTENA ho an’ny kilasy faharoa, - Ny Avana RAMANANTOANINA ho an’ny kilasy voalohany, - J.J. RABEARIVELO sy Samuel RATANY ary Jasmine RATSIMISETA ho an’ny kilasy famaranana

- Ny momba ny boky : fandalinana boky iray no atao, ka aseho amin’izany ny mombamomba ny mpanoratra azy sy ny momba ilay boky, ny famintinana ankapobeny sy ny famintinana isam-pizarana, ny fandokoana ny votoatin’ny boky mifanaraka amin’ny lohahevitra banjinina. Mahaliana arakaraka ny fisondrotan’ny kilasy ny fandinihana ireo. Boky telo no voafaritry ny fandaharam-pianarana : - Mitaraina ny tany , ANDRY ANDRAINA - Ny fanagasiana , Emilson Daniel ANDRIAMALALA - Vakivakim-piainana, Iharilanto Patrick ANDRIAMANGATIANA

b) Ny riba RANDRIAMAROLAZA Louis Paul dia manambara fa « ny fianarana ny riba malagasy dia mijery ireto : ny fifandraisan’ny Malagasy amin’ny tontolo manodidina azy (ny vohon-tany, ny zava-maniry, ny biby, ny harena an-kibon’ny tany, ny karazana vy sy metaly,…), ny 54

fifandraisan’ny Malagasy amin’ny eva sy tandindona, ny fifandraisan’ny Malagasy amin’ny tontolo akaiky azy indrindra (ny vatana, ny sakafo, ny fitafiana, ny fahalalana ampiasainy andavanandro), ny fifandraisan’ny Malagasy amin’ny firenena hafa eo amin’ny lafiny kolontsaina ihany (ny tandrefana, tatsinanana, ny eo anivon’ny Ranomasimbe Indiana) »40 . Araka izany, ireto hasin-javatra izay tsy afa-misaraka amin’ny olombelona sy ny fiaraha- monina misy azy ireto no haroso ny mpianatra : ny kolon-tsaina, ny rafi-piarahamonina, ny rafi-pitondrana, ny finoana, ny fiheverana ny tontolo, ny fomba amam-panao, ny famolahana ny tontolo. Mitsinjara ho toy izao izany rehefa avadika ho lesona. - Ho an’ny kilasy faharoa, ny rafi-pamokarana : ny toe-karena, ny fandrosoana, ny saranga, ny fifandraisan’ny toe-karena sy ny fahafahan’ny olona - Ho an’ny kilasy voalohany, ny rafi-pitondrana : ny hasina, ny fahefana amam- pitondrana, ny Marina-Rariny-Hitsiny - Ho an’ny kilasy famaranana, ny rafi-pisainana : ny Malagasy sy ny fiheverany ny tontolony, izany hoe, ny fifandraisan’ny samy olona, ny fifandraisan’ny olona sy ny zavaboahary, ny fifandraisan’ny olona sy ny eny amin’ny habakabaka

Na eo aza ireo hasim-pahalalana ireo, dia misy ihany hasim-pahalalana manokana ho an’ny kilasy tsirairay. Ao amin’ny kilasy faharoa, dia jerena manokana, ohatra, ireto lafin-javatra ireto nefa mbola haverina sy hohalalinina any amin’ny kilasy voalohany sy kilasy famaranana : - Famaritana ny atao hoe : « literatiora » sy ny « kanto » - Fijerena ireo karazana literatiora am-bava sy literatiora an-tsoratra - Fianarana sy fandalinana momba ny tononkalo - Famahavahana ny lahatsoratra : foto-dresaka, renihevitra, zanakevitra. Miroso tsikelikely ho any amin’ny paika fanaovana famoaboasan-kevitra sy fanadihadiana izany, mandra-pahatongan’ny mpianatra any amin’ny kilasy famaranana. Ny momba ny tantara foronina kosa no jerena manokana ao amin’ny kilasy voalohany. Asongadina ao ireo karazana mpandray anjara sy ny mampiavaka azy. Azo atao koa anefa ny maka ampahan-dahatsoratra ao amin’ny boky izay ianarana ka mifandraika amin’ny lohahevitra banjinin’ny fandaharam-pianarana

40 RANDRIAMAROLAZA Louis Paul, in Hiratra lah 4, tak 58. 55

Ao amin’ny kilasy famaranana dia famerenana sy fandalinana ary fampiharana ny fahalalana efa azo tany aloha no atao, miampy ireo fandaharam-pianarana natokana ho an’ny kilasy famaranana.

2.2.2.2 Ny fitsinjarana asa tanterahin’ny mpampianatra taranja malagasy ao amin’ny sekoly Akanin’ny Marenina

Fitaovana faharoa ilain’ny mpampianatra aorian’ny fandaharam-pianarana ny fitsinjarana asa. Ao anatin’io no andrindrana ny votoatin’ny fampianarana rehetra. Samy manana ny fomba fitsinjarany ny asany ny mpampianatra tsirairay, fa ny hojerena eto dia ny fitsinjarana asan’ny mpampianatra malagasy ao amin’ny sekoly Akanin’ny Marenina. Adiny efatra isan-kerinandro no ora ianaran’ny mpianatra marenina ny taranja malagasy, ary mpampianatra iray ihany araka ny efa voalaza no misahana ny fampianarana. Arakaraka io fandaharam-potoana io no andrafetana ny fitsinjarana asa mandritra ny taom-pianarana. Alohan’ny hanehoana ny fitsinjarana asa, dia ny fandaharana ora no atolotra : kilasy andro ora Kilasy voalohany Talata 08 : 00 - 10 : 00 Alakamisy 07 : 00 - 08 : 00 Zoma 07 : 00 - 08 : 00 Kilasy famaranana Alatsinainy 08 : 00 - 10 : 00 Talata 10 : 00 - 12 : 00

Fafana 11 : Fandaharana oran’ny fampianarana ny taranja malagasy

Toy izao kosa ny fitsinjarana asa arahina ao amin’ny sekoly Akanin’ny Marenina amin’ny fampianarana ny taranja malagasy raha fintinina ao anaty fafana. telovolana volana herinandro asa tanterahina H1 Talata Lesona : Ny marina

H2 Alakamisy Lesona : Ny rariny Zoma Fampiharana

Oktôbra Talata Lesona : Ny hitsiny H3 Alakamisy Fampiharana

telovolana voalohany Zoma Fampiharana 56

H4 FIALAN-TSASATRA « Toussaint» Talata Lesona : Fahalalana sy fahendrena H5 Alakamisy Fampiharana Zoma Fampiharana Talata Lesona : Ny hasina H6 Alakamisy Fampiharana

Nôvambra Zoma Fampiharana Talata Lesona : Ny fahefana amam-pitondrana H7 Alakamisy Fampiharana Zoma Fampiharana H8 Famerenana ho fiatrehana ny fanadinana

H9 FANADINANA H1 FANITSIANA Desambra 0 FIALAN-TSASATRY NY KRISMASY Talata Lesona : Fanadihadiana lahatsoratra, FR-FK H1 Alakamisy Fampiharana Zoma Talata Lesona : RH H2 Alakamisy Fampiharana Zoma Talata Lesona : Z.K, P.K

Janoary H3 Alakamisy Fampiharana Zoma Talata Ny mpanoratra RABETSIMANDRANTO H4 Alakamisy Fampiharana Zoma H5 FETIN-TSEKOLY Talata Ny mpanoratra : Ny Avana RAMANANTOANINA H6 Alakamisy Fampiharana Zoma Talata Ny mpanoratra : RANDRIAMIADANARIVO H7 Alakamisy Febroary Zoma

telovolana faharoa faharoa telovolana Talata Lesona : fibangoana lahatsoratra H8 Alakamisy Fampiharana Zoma Talata Lesona : fibangoana lahatsoratra H9 Alakamisy Fampiharana Zoma H1 Talata Lesona : Mpanoratra E. D. ANDRIAMALALA Alakamisy Fampiharana 0

Martsa Zoma H1 FAMERENANA 1 57

H1 FANADINANA 2 FIALAN-TSASATRY NY PAKA Talata Lesona : Famaritana « literatiora » H1 Alakamisy Tenina mpanoratra Zoma Talata Tantaran’ny literatiora : « mitady ny very » Aprily H2 Alakamisy Zoma Talata Tantaran’ny literatiora : « fahafahana » H3 Alakamisy Zoma Talata Tantara foronina

H4 Alakamisy Zoma

Mey Talata Fanadihadiana : Teny fampidirana H5 Alakamisy Zoma Talata Teny famaranana H6 Alakamisy Zoma

telovolana fahatelo telovolana Talata TTL, TTK H7 Alakamisy Zoma Talata Fomba fandrafetana : fanadihadiana H8 Alakamisy Jona Zoma H9 FAMERENANA H1 FAMERENANA 0 Jolay H1 FAMERENANA 1 FIALAN-TSASATRA LEHIBE

Fafana 12 : Fitsinjarana asa taranja malagasy ao amin’ny kilasy voalohany

58

telovolana volana herinandro asa tanterahina H1 FIDIRANA H2 Alatsinainy Andriamanitra-Zanahary Talata H3 Alatsinainy Ny razana Oktôbra Talata H4 FIALAN-TSASATRA « TOUSSAINT » H5 Alatsinainy Ny fanahy Talata H6 Alatsinainy Ny tsiny sy ny tody Talata Nôvambra H7 Alatsinainy Fampianarana : tatitra Talata telovolana voalohany voalohany telovolana

a a H8 FAMERENANA H9 FANADINANA H10 FANITSIANA Desambr FIALAN-TSASATRY NY KRISMASY H1 Alatsinainy Tantaran’ny literatiora : « Fahaleovantena » Talata H2 Alatsinainy Tantaran’ny literatiora: ny « vanim -potoana Talata ankehitriny » H3 Alatsinainy Tatitra : tekinika janoary janoary Talata H4 Alatsinainy Famakafakan-kevitra Talata H5 Alatsinainy Tatitra Talata H6 Alatsinainy Ny mpanoratra : Jean Joseph Rabearivelo Talata H7 Alatsinainy Ny mpanoratra : Samuel Ratany

Febroary Talata Ny mpanoratra : Jasmine Ratsimiseta H8 Alatsinainy Fibangoana lahatsoratra telovolana faharoa faharoa telovolana Talata H9 Alatsinainy Ny anjara, ny lahatra Talata H10 Alatsinainy Ny vintana Talata

Maratsa H11 FAMERENANA H12 FANADINANA FIALAN-TSASATRA PAKA 59

H1 Alatsinainy Boky : Vakivakim-piainana Talata H2 Alatsinainy Ny fitsimbinana ny aina Aprily Talata H3 Alatsinainy Famelabelaran-kevitra Talata H4 Alatsinainy Talata

Mey H5 Alatsinainy Talata H6 Alatsinainy Talata H7 Alatsinainy Talata H8 Alatsinainy Talata FAMERENANA Jona Telovolana fahatelo fahatelo Telovolana H9 Alatsinainy Talata H10 Alatsinainy Talata H11 Alatsinainy FANADINANA Jolay Talata FANOMANANA FANADINANA Aogositra

Fafana 13 : Fitsinjarana asa taranja malagasy ao amin’ny kilasy famaranana mandritra ny taom-pianarana

Araka ny fahitana ny fitsinjarana asa dia tsapa fa miezaka tokoa ny mpampianatra hanatanteraka izay voarakitra ao amin’ny votoatin’ny fampianarana taranja malagasy. Natao izany mba tsy hahalatsa-danja ny fanabeazana omena ny mpianatra marenina.

2.2.2.3 Ny lesona notontosaina nandritra ny atrika asa

Mba hahafahana mamantatra ny fomba anatanterahana ny fampianarana ny taranja malagasy tao amin’ny Akanin’ny Marenina Ambaratonga faharoa Dingana faharoa dia nanatrika sehom-pampianarana vitsivitsy izahay. Ny kilasy voalohany sy ny kilasy famaranana no nanatrehana izany, satria tsy misy kilasy faharoa. Ireto avy ireo lesona notontosain’ny mpampianatra nandritra ny atrika asa natao.

60

herinandro kilasy andro faharetany asa natao Herinandro T11 Talata ora 2 Fampiharana : Fibangoana lahatsoratra fahasivy T11 Alakamisy ora 1 T11 Zoma ora 1 Fanitsiana Herinandro T12 Alatsinainy ora 2 Lesona : vintana fahafolo Talata ora 2 Fampiharana T11 Talata ora 2 Famelabelarana : mpanoratra Alakamisy ora 1 Zoma ora 1 Fampiharana

Fafana 14 : Lesona notontosain’ny mpampianatra nandritra ny atrika asa

Miendrika takela-panomanan-desona no anehoana ny dingana arahina amin’ny fanatanterahana ny votoatin-desona. Ny takela-panomanan-desona mantsy dia fitaovana iray tena ilaina eo amin’ny fampianarana noho ireto anton-javatra ireto : • hanoratana ny lesona sy ny votoatiny ary ny dingana samihafa arahina amin’ny fampitana azy ; • hanampy ny mpampianatra mba tsy hanadino ; • hahazoana mametraka an-tsoratra izay fanamarihana tokony hatao mandritra ny lesona na ao aorian’ny lesona ; • hahazoana manatsara bebe kokoa ny lesona hatao amin’ny manaraka 41 ;

Takela-panomanan-desona telo no atolotra eto : takela-panomanan-desona amin’ny fanatanterahana ny fanitsiana, takela-panomanan-desona maneho fampitana lesona mivantana, fanatanterahana ny famelabelaran-kevitra.

TAKELA-PANOMANAN-DESONA 1

Daty : talata 02 martsa 2010 Kilasy : T11

41 RANDRIANANTENAINA, RAHARIJAONA Alphonse, RATREMA WILLIAM & RATSIMA Marcel, Soritrasa ho fanatsarana ny fampianarana ny teny malagasy any amin’ny sekoly ambaratonga faharoa manokana eto amin’ny faritanin’Antananarivo ; taranja : PEDAGOJIA, Ampefiloha, 1988, tak.57 61

Zana-taranja : Faharetany : ora 2 Lohatenin-desona : Fampiharana ny fibangoana lahatsoratra Fitaovana : lahatsoratra « Fianakaviana moderina »

Tanjona ara-pahalalana : mpianatra mahalala ny fepetran’ny fibangoana lahatsoratra Tanjona ara-pahaiza-manao : mpianatra mahafehy ny fibangoana lahatsoratra araka ny toromarika takina aminy Tanjona ara-toetra amam-pihetsika : mpianatra mahay maneho hevitra fohy, tsotra, mazava fizotry ny lesona fanontaniana/valiny fanamarihana Tari-dresaka Fibangoana ny lahatsoratra Efa voazara tamin’ny seho farany ny lahatsoratra « Fianakaviana moderina » Fandinihana lahatsoratra -Vakiteny .Vakiteny mangina .Vakiteny : mpampianatra -Fanazavana isaky ny fehezanteny : mpampianatra Fanomezana torolalana Asa atao rehefa hibango lahatsoratra : 1. Vakina ny lahatsoratra 2. Sintonina ny hevi-dehibe 3. Aravona ao anaty fehezanteny 4. Tsy voatery hanaraka ny onjan’ny lahatsoratra 5. Hajaina ny isan’andalana takina (andalana 5) Fanarahana ireo dingana ireo Miara-miasa : mpampianatra, mpianatra Fandravonana Mpianatra ihany no manatanteraka izany 62

Fitsarana Mpampianatra Fanitsiana Manome ny valiny ny mpampianatra Fanomezana lahatsoratra : « I Vero » enti-mody ataon’ny mpianatra irery

TAKELA-PANOMANAN-DESONA 2

Daty : talata 09 martsa 2010 Kilasy : T11 Zana-taranja : Riba Faharetany : ora 2 Lohatenin-desona : Ny vintana Fitaovana : lahatsoratra + resadresaka + tenina mpanoratra Seho 1

Tanjona ara-pahalalana : mpianatra mahalala ny mombamomba ny vintana Tanjona ara-pahaiza-manao : mpianatra mahay misinton-kevitra momba ny vintana amin’ny alalan’ny lahatsoratra na lahabolana Tanjona ara-toetra amam-pihetsika : mpianatra mahay mivoatra manoloana ny fiainany

fizotry ny lesona fanontaniana/valiny fanamarihana Famerenana Lesona : ny anjara, ny lahatra

Lesona vaovao Lohateny : Ny vintana

Fandinihana tenina mpanoratra miampy fanazavana

Mpanoratra 1 : L. P. RANDRIAMAROLAZA

« Samy mamantatra sy mamaritra vintana na ny finoana na ny siansa, ka ny finoana no mialaza ny vintana ho 63

hery natoraly tsy azo fehezina, fa ny siansa kosa milaza azy ho lalàna natoraly no lalàna siantifika azo fehezina, rehefa fantatra ». Hiratra 1 , tak 137.

Fanazavana : mpampianatra ambony

Siansa ≠ finoana

Olona Fahaizana Hery vita nanahary Fikarohana

Lalàna

Mifehy Tsy voafehy

Mpanoratra 2 : « Hevero fa ny fanambadiana mila vintana ka na inon- kevitra na inoana saina raha tsy ho zara dia tsy raikitra, na dia vita soava tsarà aza »42

Fanazavana : fiheverana ntaolo malagasy

Tsy tanteraka : vintana Fanambadiana Tanteraka : vintana

Mpanoratra 3 : « Ny vintana, hono, omen’Andriamanitra : ny vintana tsara sy ratsy hitan’ny mpanandro amin’ny tonon’andro nahaterahan’ny olona : didy ka tsy azo ovan’ny olona » .RP CALLET.

42 R. L DAHLE, Anganon’ny ntaolo , tak 89 64

Fanazavana : Andriamanitra

Ω = vintana tsara / ratsy

Mpanandro : mahita fotsiny

Mpanoratra 4 : ANDRIAMAMPIHANTONA

« Ny vintan’ilay andro nahaterahan’ny olona iray no mamaritra ny vintan’ilay olona, ka io vintana io no mitondra ny fizotran’ny fiainany manontolo : tsara io dia inoana fa ho sambatra ilay olona, ratsy io dia ho sahiran-dava ilay olona ».43

Fanazavana : Vintana = miankina amin’ny tonon’andro nahaterahana

milamina mikorontana

tsara ratsy

Mpanoratra 5 : R.P. A. RAHAJARIZAFY

« Tsy misy vintan’iza na iza tsara tanteraka na ratsy tanteraka, satria na tsara andro ahaterahana ianao na ratsy andro ahaterahana, miditra amin’ny vitanao koa ireo toe-java-drehetra mitranga eran-tany eran-danitra

43 ANDRIAMAMPIHANTONA, kabary betsileo . 65

amin’izay fotoana ahaterahanao izay ka tsy maintsy mifamahofaho sy mifanolana ao any tsara sy ny ratsy »

Fanazavana : Ω

Vintana

Tsara Ratsy

mifamahofaho Famaritana araka ny Rakibolana Fandikana lesona ao anaty kahie Fandentehana Famerenana vakina mangina Enti-mody Mitadiava tenina mpanoratra hafa momba ny vintana ary hazavao Famintinana mpampianatra

Seho 2 Lohatenin-desona : Ny vintana Faharetany : ora 2 Fizotry ny lesona Fanontaniana/Valiny Fanamarihana Famerenana Tenina mpanoratra Fitsarana enti-mody Lesona  Vokatra ratsy amin’ny finoana ny vintana • Mionona, tsy miezaka • Matahotra • Mitondra filaminana  Vokatra tsara • Miezaka • Misakana ny olona tsy hanao ratsy  Ohabolana: . « Aza miady vintana amin’ny akoho » . « Ratsy tarehy manam-bitana ka ny soa no manatona ho vady » . « Iray tampo samihafa, samy manana ny vintany » 66

. « Ny vintana tsy toy ny tanalahy ambony hazo ka miova loko isaky ny misioka » . « Andriamanitra manome fa i Balita no tsy ambinina » famintinana Lesona rehetra mpampianatra tombana Hazavaina ireo ohabolana ireo tombana enti-mody Hazavao sy tohano amin’ny ohatra mazava ity hevitra ity: « Ny vintana no mitarika ny olona eo amin’ny fiainany fa tsy ny olona no mitondra ny vintana ho tsara »

TAKELA-PANOMANAN-DESONA 3

Daty : talata 09 martsa 2010 Kilasy : T11 Zana-taranja : Literatiora Faharetany : ora 2 Lohatenin-desona : Emilson Daniel ANDRIAMALALA, mpanoratra Fitaovana : lahatsoratra, famelabelaran-kevitra momba ny mpanoratra Seho : 1

Tanjona ara-pahalalana : mpianatra mahalala ny mombamomba ny mpanoratra Tanjona ara-pahaiza-manao : mpianatra mafehy ny famelabelarana araka ny fotoana omena Tanjona ara-toetra amam-pihetsika : mpianatra tia mikaroka, mampiasa saina fizotry ny lesona asa tanterahina fanomanana - Iray volana no fampiomanana ny mpianatra amin’ny famelabelarana - ny boky Raki-piainana no vakina - asan-tsokajy maharitra 20 mn ary misy: - Teny fampidirana - Votoatiny - Teny famaranana fanatanterahana -Manatontosa ny famelabelarana ny mpianatra -Mitsara ny mpampianatra : manitsy ny fihetsika, fiteny, fijoro tsy mety 67

-Manomana 15 mn indray ny mpianatra -Mamerina ny famelabelarana -Mitsara ny mpampianatra -Mandika ao anaty kahie ny mpianatra tombana Fenoy ny banga (tsy mijery lesona) ohatra : tamin’ny taona firy no maty i E D ANDRIAMALALA ? Manomeza anarana boky telo nosoratany enti-mody Lahatsoratra : « Ny vola »44

Raha izay ny lesona nataon’ny mpampianatra nandritra ny atrikasa, manao ahoana kosa ny dingana arahina amin’ny fanomanana ny lesona ?

2.2.2.4 Ny dingana arahina amin’ny fanomanana lesona

Toy ny mpamafy ny mpampianatra, ary toy ny voa afafy ny fahalalana ampitainy amin’ny mpianatra, ka ilaina ny fifantenana azy mba tsy ho faty maso. Araka izany, tsy ny fahalalana rehetra ananan’ny mpampianatra no ampitaina amin’ny mpianatra, fa misy ny fanivanana azy ireny mba hifanentana amin’ny lalan-tsain’ny mpianatra. Avy amin’izany no handrindrana ny votoatin-desona sy ny fanaovana tombana hahafantarana izay fahalalana voarain’ny mpianatra. Misy dingana roa mazava izany arahina amin’ny fanomanana ny lesona : ny fantina sy ny rindra.

a) Ny fantina 45 Ny fantina dia karazan-tsivana ampiasain’ny mpampianatra eo amin’ny fanatanterahana ny asa. Lafin-javatra dimy no fantenana rehefa mampianatra ny taranja malagasy amin’ny mpianatra marenina.

• Eo amin’ny votoatin-desona Ho an’ny mpianatra marenina, misy fiantraikany amin’ny fiasan’ny sainy ny fahavoazana amin’ny maha marenina azy. Noho izany, elaela vao maharay zavatra ny mpianatra. Araka izany, tsy azo atao ny manalava resaka, ny mitady lesona sarotra, fa avy hatrany dia fanazavana tsotra sy fohy ary mazava no omena azy. Amin’ny fampianarana ny lohahevitra marina-rariny-hitsiny ao amin’ny kilasy voalohany, ohatra, dia izao no itondrana ny lesona :

44 E.D ANDRIAMALALA in Ny fanagasiana , tak 49-51 45 RANDRIANANTENAINA, op.cit p.81, tak.49 68

- Fanazavana tenina mpanoratra - Fanazavana miainga amin’ny fiforonan-teny - Amin’ny alalan’ny lahatsoratra na tenina mpanoratra na ohabolana no amoahana ny toetra, ny vokatra.

• Eo amin’ny fitaovana iaingana Mazàna lahatsoratra na kisary na tenina mpanoratra no iaingana rehefa manatanteraka lesona, satria miainga amin’ny zavatra mivantana foana rehefa mampianatra ny marenina mba hahamora ny fanakarany ny hevitra tiana hambara. Amin’ny fampianarana ny riba, ohatra, dia lahatsoratra na tenina mpanoratra na ohabolana no fitaovana iaingana satria amin’ny alalan’ny fahazoana ny hevitra avy amin’ireo no hahatakaran’ny mpianatra ny tiana hambara.

• Eo amin’ny tetika sy paika pedagôjika Rehefa manatontosa ny lesona, fampianarana tolotra matetika no atao, satria tsapa ho tsy ampy loatra ny fivelaran-tsain’ny mpianatra noho izy ireo tsy mifanerasera firy amin’ny fiarahamonina. Araka izany, tsy dia mahatakatra ny zava-misy izy, na ny hevitra sartora, eny, fa na dia miezaka aza ny tompona andraikitra amin’ny sekoly mampahalala izay tokony hampahalalaina. Matetika moa ny lesona riba no anaovana izany tolotra izany. Mba hanampiana ny mpianatra anefa hanana fahasahiana sy hanefy ny maha izy azy, dia ezahina ho maromaro ny fampiharana amin’ny fanaovana famelabelaran-kevitra, ny tatitra, ny ady hevitra.

• Eo amin’ny karazam-panontaniana apetraka Ezahina ho karazam-panontaniana miovaova, samy hafa no atao. Zarina tsikelikely amin’ny famaliana ny fanontaniana fahita any amin’ny fanadinana ihany koa ny mpianatra.

• Eo amin’ny voambolana ampiasaina Araka ny efa voalaza, tsy mora mahatakatra hevitra lavitra sy lalina ny mpianatra marenina. Noho izany, misy ny fifantenana ny voambolana ampiasaina, na fanaovana mihitsy ny voambolana manahirana ny mpianatra ao anatin’ny lahatsoratra. Ohatra : - mampirafy manana vady maro 69

- lahatsoratra : « fianakaviana môderina »46 misy fehezanteny amboarina mba hahamora ny fahazoana ny lahatsoratra Lahatsoratra niaingana Lahatsoratra namboarina « (…) Raha be fidiram-bola indray moa ka na hanao « (…) Fa raha sahirana kanefa izany aza dia mbola atao hoe entanin’ny volabeny mbola misehoseho, ny ao an-trano angaha, fa raha olona minia misahirana kosa noho ny aza efa tsy ampiampy ny fidiram- fidiram-bola tsy ampiampy no manao izany, dia vao bola dia vao mainka diso ny mainka meloka indroa no fiheverana azy ». fiheverako azy ».

Raha toy izay ny momba ny fantina atao alohan’ny hanomezana ny fampianarana ho an’ny mpianatra marenina amin’ny taranja malagasy, manao ahoana kosa ny fandrindrana izany ?

b) Ny rindra Ny rindra dia ny fandaharana lôjika atao amin’ny fampianarana ny fahalalana azo. Manaraka ny lalan-tsaina siantifika izany, ary mifanentana amin’ny lalan-tsain’ny zaza koa. Ireto avy no ahitana ny rindra eo amin’ny fampianarana ny mpianatra marenina.

• Eo amin’ny takela-panomanan-desona Ahitana rindra eo amin’ny famerenana, ny tari-dresaka, ny votoatin’ny lesona, ny fampiharana.

• Eo amin’ny fanatontosana ny fampianarana : Rehefa manao ny lesona ho an’ny mpianatra marenina ny mpampianatra, dia toy izao no fisesin’ny fampianarana : - famerenana ny lesona teo aloha - fandinihana miainga amin’ny lahatsoratra na tenina mpanoratra - famakafakana ny tiana hambara - tsoa-kevitra

• Eo amin’ny fanomezana fanazarana na ny fampiharana - fandentehana

46 Gilbert RATSIMBAZAFY, in Ny veloma izay napetrany , nalaina tao amin’ny Boky Lovako T11 tak.216 70

- fanitarana

• Eo amin’ny fifidianana lahatsoratra Lahatsoratra fohy aloha vao mandray tsikelikely ny lahatsoratra lava

• Eo amin’ny fianarana ireo karazana fanadihadiana - famintinana na fibangoana lahatsoratra - fanaovana fanadihadiana lahatsoratra - fanaovana tatitra - famakafakan-kevitra

• Eo amin’ny fanazavana voambolana na hevitra Miainga amin’ny zava-misy, izay vao tarihina tsikelikely ho an’ny amin’ny hevitra ambadika na izay hevitra lazain’ny lahatsoratra.

Raha aravona izay voalaza mikasika ny rindra eo amin’ny fampianarana ny mpianatra marenina izany, dia hita fa miainga avy amin’ny azo tsapain-tanana mankany amin’ny tsy azo tsapain-tanana. Tsy mijanona eo amin’ny fantina sy ny rindra ny mpampianatra amin’ny fanatanterahana ny votoatin’ny fampianarana, fa manombana ny fahalalana sy ny asa ampanaoviny ny mpianatra koa izy. Ao amin’ny fizarana 2.2.3 no hamelabelarana ny momba an’izany tombana izany.

Fehiny : Azo fintinina ho telo ny dingana arahin’ny mpampianatra taranja malagasy ao amin’ny sekoly Akanin’ny Marenina :  Ny famerenan-desona : tombana ahafantarana raha mazava tsara amin’ny mpianatra ny lesona teo aloha  Ny lesona vaovao : kendrena ho hita ao anatin’ny lesona vaovao ny fahazoana fahalalana, ny fahazoana izay zavatra nambara, ny fahaizana mampihatra, ny fandravonana ny lesona.  Ny fampiharana : fampiharana am-bava sy ny fampiharana an-tsoratra.

71

Raha bangoina izay voambara rehetra momba ny famahavahana ny fandaharam-pianarana tanterahina ao amin’ny sekoly Akanin’ny Marenina izay, dia azo lazaina fa tsy mikely soroka tokoa ny mpampianatra mitady ny fomba rehetra, mba hahamora ny fandraisan’ny mpianatra marenina ny votoatin-desona. Maneho izany fa tsy latsa-danja amin’ny fahalalana azon’ny mpianatra tomady ny omena ny olona marenina, mba hahatonga azy ireo ho olom-banona.

2.2.3 Ny tombana

Ny tombana dia ny fandrefesana ny fahatratrarana ny tanjona. Fomba hatao hahazoana mitsapa ny vokatry ny fampitana ny fahalalana nomena, hahazoana ihany koa mijery ny vokatry ny fanabeazana natao amin’ny ankapobeny. Raha halalinina bebe kokoa ny ilana ny tombana, dia natao hamantarana ny haabon’ny fahaizan’ny mpianatra. Mifandray mivantana amin’ny tanjona ny tombana mba hahafahana mandrefy ny vokatry ny fampianarana, hahazoana manova sy manatsara ny paika ara- pedagôjika sy ny fomba fianatry ny mpianatra. Noho izany, dia tsy maintsy mijery ny fahalalana vaovao azon’ny mpianatra, mijery ny fahaiza-manaony ary ny toetra amam- pihetsiky. Manamafy izany ny tenin’i YAN Albert izay nilaza fa fanomezan-danja ny mpianatra ny fanaovana tombana eo amin’ny sehatry ny fampianarana. Voasoritra ao amin’ny fandaharam-pianarana ny tokotokony ho endriky ny tombana. Andeha àry hovahavahana izany.

2.2.3.1 Famahavahana ny tombana voalaza ao amin’ny fandaharam-pianarana

Koa satria tsy mitovy ny endrika isehoany, dia hojerena tsirairay ny tombana voafaritra hatao isan-kilasy.

a) Tombana ao amin’ny kilasy voalohany Toy izao àry ny tombana ao amin’ny kilasy voalohany araka ny zana-taranja.

 Literatiora: - tatitra am-bava na an-tsoratra - fanehoana ny banga ao amin’ny fafana itrandrahana asa soratra na lahabolana iray - famantarana ambaratongan-kevitra ao amin’ny vanim-potoana nivoahan’ny lahatsoratra iray 72

- fanontaniana misy valiny na fanambarana valiny amin’ny hoe marina na diso - mandrafitra fafana, mamintina amin’ny ankapobeny ny endrika sy ny votoatin’ny literatiora isaky ny vanim-potoana - fifaninana maromaro momba ny tantara foronina sy ny tononkalo

 Riba: - Karazan-tombana teo aloha - fanaovana tatitra fanadihadiana - fandinihana sy fanombanana tantaram-piainan’ny olo-malaza iray - fanombanana ny fomba fiasan’ny mpianatra ao anaty kilasy - fampifandraisana amin’ny alalan’ny tsilo ny singa tokony hifanitsy fo amin’ny vondrona roa mifanaraka - famenoana ny banga ao amin’ny fafana

b) Tombana ao amin’ny kilasy famaranana Izao kosa no hita ao amin’ny kilasy famaranana.

 Literatiora - famenoana fafana fandinihana asa soratra iray miompana amin’ny tantaran’ny literatiora ary famaritana ny vanim-potoana nivoahany - fanomezana sy fanamarinana ny vanim-potoana namoahana ny asa soratra iray voafaritra mialoha - famahavahana ny sary, na tontolo, na fanehoan-kevitra amin’ny vanim-potoana roa araka ny ahitana azy ao amin’ny asa soratra roa samihafa - andram-panazavana asa soratra mifototra amin’ny tantara, rafitra, fiaraha- monina - famoronana asa soratra manaraka na tsy manaraka tondrozotra

 Riba Ny tombana mahakasika ny riba dia tsy hita ao amin’ny fandaharam-pianarana. Na izany aza, azo volavolaina avy amin’ireo tanjona manokana ihany ny tombana, satria fitaovana enti- mandrefy ny fahalalana voaray sy voatahirin’ny mpianatra izy ireny. Ohatra : 73

- Eo amin’ny lafiny ara-pahalalana : fampahafantarana ny mpianatra ny rafi- pisainana malagasy - Eo amin’ny lafiny ara-pahaiza-manao : fahaizana omena ny mpianatra hahafehy ny fanadihadiana lahatsoratra - Eo amin’ny lafiny ara-toetra amam-pihetsika : fanefena ny fisainan’ny mpianatra eo amin’ny fiainana izay mbola hodiaviny

2.2.3.2 Ny tombana tontosaina amin’ny sekoly Akanin’ny Marenina

Mialoha ny hijerena ny endrika isehoan’ny tombana ao amin’ny sekoly Akanin’ny Marenina, dia asian-teny fohy ny amin’ny karazan-tombana fanao ao.

a) Ny karazan-tombana Misy karazany efatra ny tombana tanterahina ao amin’ny kilasy voalohany sy ny kilasy famaranana ao amin’ny sekoly Akanin’ny Marenina : tombana angona fahalalana, tombana fampiharana, tombana fitsapam-pahaizana, tombana fanomezana mari-pahaizana.  Ny tombana angona fahalalana Karazan-tombana ho fitsapana ny haabon’ny dingana ananan’ny mpianatra io ary atao mialoha ny asa vaovao omena ny mpianatra. Ny fahalalana efa ananan’ny mpianatra no tombanana eto.

 Ny tombana fampiharana Misy karazana roa ny tombana fampiharana araka ny endrika isehoany : ny fampiharana am- bava sy ny fampiharana an-tsoratra. Ny fampiharana am-bava dia fandentehana ny fahalalana vao nomena. Tanterahina aorian’ny fanomezana lesona izany, ary amin’ny alalan’ny vakiteny mangina ataon’ny mpianatra. Aorian’izay, mamerina tsirairay izay lesona voarainy izy ireo. Atao izay mba hahafantarana ny haabon’ny lesona azon’ny mpianatra ary ny fahaizany mamintina ireo ventin-kevitra nisongadina voalaza tao amin’ny lesona. Ny fampiharana an-tsoratra kosa dia mbola azo zaraina roa araka ny sehatra anatanterahana azy. Misy ny fampiharana an-tsoratra atao an-dakilasy : tanterahina aorian’ny fahavitan’ny lesona. Manome toromarika fotsiny ny mpampianatra, fa anjaran’ny mpianatra no mandrafitra ny hevitra ao anaty vakiraoka. Fotoana fohy ny faharetan’izany. 74

Ao koa ny fampiharana atao any an-trano : sady tombana amin’izay lesona vao natao no fanitarana ihany koa ny fahalalana. Herinandro no fotoana anatanterahan’ny mpianatra izany. Izany dia fanazarana ny mpianatra ho amin’ny fampivoarana ny fahaizany.

 Ny tombana fitsapam-pahaizana Aseho amin’ny alalan’ny fanomezana isa hatrany ity karazan-tombana ity. Isaky ny mahavita seho no manatontosa azy. Ny endrika isehoany dia fanadinana isam-bolana, fanadinana alohan’ny fiafaran’ny telovolana, mba hahazoana mandrefy sy manamarina ny tanjona ankapobeny.

b) Ny endrika nisehoan’ny tombana Toy izao manaraka izao ny endrika nisehoan’ny tombana tao amin’ny sekoly Akanin’ny Marenina araka ny kilasy nanaovana azy.

 Kilasy voalohany Ireto misy ohatra vitsivitsy momba ny tombana ao amin’ny kilasy voalohany.

A. Tombana mikasika ny literatiora o ny vanim-potoana “Mitady ny very”  Fampiharana ny lesona Tononkalo « Manerika maraina », Josefa RAJAONAH Fanontaniana 1) Jereo ny rima ary lazao ny anarany 2) Lazalazao ny momba ny andalana 3) Ampifandraiso ny zavaboary sy ny fihetseham-pon’ny olona eto. Inona ny tara-kevitra aseho eto ? Hazavao ary asio ohatra ao amin’ny tononkalo.  Fanazarana 1 Tononkalo « Vavaka ho an’ny mpandalo » Ny ERIKA, Fampitaha , tak 12-13 Fanontaniana 1) Jereo ny endrika ivelan’ny tononkalo : rima, andalana, andininy,... 2) Hazavao ny fihetseham-po sy ny tian’ny mpanoratra holazaina : mihazakazaka – mitomany - mitelin-dranomaso - misaraka aman-teny ; 75

3) Mampiseho fitiavan-janaka ny ray aman-dreny. Nahoana ? Manomeza teny na andian-teny ao anaty lahatsoratra milaza izany. 4) Ahitana tara-kevitra momba an’Andriamanitra ny eto. Hadihadio izany eo amin’ny tantaran’ny literatiora.

 Fanazarana 2 Lahatsoratra « Kilalao mahatsiravina », RABENJAMINA, Ny mpandinika , 24-03-33 Fanontaniana Mizara telo ny lahatsoratra I. Miomana 1) Nahoana no manao kilalao mifampisintona aloha ireo ankizy ? 2) Azonao lazaina ve ny fihetseham-pon’ireo ankizy rehefa midina amin’ny harambato ?

II. Ny ady mangatsiaka 1) Ahoana no ahalalana fa mafy ny ady ? 2) Inona no toetra ananan’ilay zazalahy niady tamin’ny voromahery ?  Fitsapam-pahaizana Lahatsoratra « Ny zavamaniry sy ny olombelona », RAFANOHARANA, in Ilay veromanitra , tak 58-59 Fanontaniana 1) Jereo ny foto-dresaka sy ny hevi-dehibe. 2) Tara-kevitra momba ny inona no eto ? Hamarino ny valin-teninao 3) Inona no lafim-piainana very teo ka tian-dRavero haverina ?

o ny vanim-potoana “Fitakiana fahafahana”  Fampiharana ny lesona Tononkalo : « Hiran’ny maraina », Josefa RAJAONAH in Vonimboahirana , 1950, tak 48 Fanontaniana 1) Inona avy no entin’ny maraina ? 2) Inona ny foto-kevitra ijoroan’ny tononkalo ? 76

3) Mampitovy ny fahafahana amin’ny maraina ny mpanoratra. Hazavao ny hevitr’izany ?

 Fanazarana 1 Lahatsoratra : « Ny adidy », Régis RAJEMISA-RAOLISON, in Mbà olom-banona , 1951 Fanontaniana 1) Lazao ireo antony mahatonga ny olona tsy hanefa ny adidiny ? 2) Inona no tsy maintsy ilofosan’ny tsirairay ?

 Fanazarana 2 Lahatsoratra « Fianakaviana hafa kely » NIVONDRAHONA, in Fampitaha 6, febroary 1958 Fanontaniana 1) Tanisao izay resahin’ny mpanoratra momba ity fianakaviana ity ? 2) Misy tsy fitoviana amin’izy telo mirahavavy ; inona no tian’ny mpanoratra hambara ? 3) Inona no fiheveran’ireo ray aman-drenin’izy telo mirahavavy ny fanambadiana ?

 Fitsapam-pahaizana Lahatsoratra « Saino ry Malagasy ambin’olona », ANDRIATSILAVO, in Pitik’afo , Janoary 1951. Fanontaniana 1) Inona no toetra takina amin’ny Malagasy manoloana ny vahiny ? 2) Inona no antony nanoratan’ny mpanoratra ity lahatsoratra ity ?

o ny vanim-potoana “Fahafahana”  Fampiharana ny lesona Tononkalo : « Amena », RAOELY-JAMES in Fampitaha , lah.13, Aogositra- septambra 1968 Fanontaniana 1) Jereo ny endrika ivelan’ny tononkalo : rima, andalana, andininy. 77

2) Vanim-potoanan’ny « fahafahana » no nanoratan’ny mpanoratra ity tononkalo ity. Araka ny hevitrao, inona no antony mahatonga azy hitraka toy izao ?

 Fanazarana 1 Tononkalo : « Aza omena tsiny », RADO, Zo , 9 Jolay 1969 Fanontaniana 1) Tanisao ireo zava-misy lazain’ny mpanoratra momba ny taniny ? 2) Inona no toetra takina amin’ireo Malagasy tompon-tanindrazana ?

 Fanazarana 2 Sombin-tantara « Lalana mody » Ener Lalandy, Fampitaha , 1968 Fanontaniana 1) Omeo ireo mpandray anjara ? 2) Lazao ny fari-piainan’ny fianakaviana. 3) Lazao ny fari-pahaizana sy ny asan’i Nary. 4) Inona avy ny fitondran-tenan’i Nary rehefa nahazo fahafahana ?

 Fitsapam-pahaizana Lahatsoratra « Zaza very lalana », R. P. A. RAHAJARIZAFY, in Filôzôfia malagasy , tak 10-11. Fanontaniana 1) Very lalana amin’ny inona ny Malagasy ? 2) Lazao ny antony eo amin’ny fampianarana sy fitondran-tena 3) Tsara ny fiovana. Inona avy ireo mila ovana ? o ny mpanoratra  Iza ary aho ? . Teraka tamin’ny 26 febroary 1891, tao Ambatofotsy Avaradrano . Niaina tao Ambohijatovo . Mpikambana tao amin’ny V.V.S . Tononkalo nosoratany : « Izay sambo izay »

 Ampifandraiso amin’ny tsilo Anaran’ny mpanoratra Boky nosoratany 78

Fidelis Justin RABETSIMANDRANTO Ny fanagasiana Ny Avana Ramanantoanina Trimofoloalina Randriamiadanarivo Ny sikajin’i Dadabe Emilson Daniel ANDRIAMALALA Rahantaniala

 Tononkalo na lahatsoratra fampiharana - Lahatsoratra « Hiran’ny fanantenana », Ny Avana, in Ny Mpandinika , 13 jolay 1923 Fanontaniana 1) Omeo foto-kevitra ijoroan’ny lahatsoratra 2) Sintony avy ireo lanja omen’ny mpanoratra ny fanantenana. 3) Ahoana no fahazoana ny hevitry ny lohateny « Hiran’ny fanantenana »?

- Sombin-dahatsoratra in Ny fanagasiana , Emilson Daniel ANDRIAMALALA Fanontaniana 1) Inona no hevitry ny mpanoratra momba ny fandrosoana ? 2) Tsara sa ratsy ny fandrosoana ? Lazao ny hevitrao ary manomeza ohatra.

B. Tombana momba ny riba o ny marina, ny rariny, ny hitsiny  Fampiharana ny lesona : ny marina Lahatsoratra « Ny filazana ny marina » J. RABETAFIKA, in Mpanolo-tsaina , ôktôbra 1904 Fanontaniana 1) Rahoviana no tsy maintsy lazaina ny marina ? 2) Inona no toetran’ny marina voalaza eto ? 3) Omeo ny foto-kevitra ijoroan’ny lahatsoratra ?

 Fampiharana ny lesona : ny rariny Lahatsoratra « Fitakiana ny rariny » Charles RAVOAJANAHARY, in Tantaran’ny Haisoratra Malagasy , tak 51. Fanontaniana 79

1) Lazao ireo endrika nisehoan’ny tsy rariny teo amin’ny fitondrana sy teo amin’ny toetran’ireo « colons ». 2) Araka ny hevitrao, ahoana no fomba ampanjakana ny rariny eto Madagasikara ?

 Fampiharana ny lesona : ny hitsiny Lahatsoratra « Ny rariny sy ny hitsiny » Joseph RAKOTONIRAINY, in Ny Tsaran’ny Razantsika , tak 22 Fanontaniana 1) Tanisao ireo endrika isehoan’ny tsy rariny 2) Tsimpony ireo ohbolana sy fitenenana hita ao amin’ny lahatsoratra. 3) Omeo ny toetra takiana amin’ny fampanjakana ny rariny sy ny hitsiny sintonina avy amin’ireo ohabolana sy fitenenana ireo.

 Fanazarana Lahatsoratra “ Ny tsara sy ny marina ”, R.P. A. RAHAJARIZAFY, in Hanitra nentin- drazana Fanontaniana 1) Inona no ifandraisan’ny tsara sy ny marina? 2) Manao ahoana ny fikarohana ny marina?

 Fitsapam-pahaizana Lahatsoratra « Ny teny sy ny fanekena ifanaovana », Régis RAJEMISA RAOLISON, in Mbà olom-banona Fanontaniana 1) Ahoana no endrika isehoan’ny fijoroana ny marina voalaza eto ? 2) Manao ahoana ny toetran’ny olo-marina? 3) Mavesa-danja ny fitanana ny teny natao. Nahoana ?

o Ny fahalalana sy ny fahendrena  Fampiharana ny lesona Ny lahatsoratra « Ny fahendrena » nangonin’i RAINANDRIAMAMPANDRY, Hafatry ny ombiasy anakiray ho an’ny zanany . 80

Fanontaniana 1) Inona no atao hoe : fahendrena araka ny lahatsoratra 2) Inona avy ireo fepetra takina amin’ny fandalana ny fahendrena ? 3) Antoky ny inona fananana fahendrena ?

 Fanazarana Lahatsoratra « Ny fifandraisan’ny fahalalana sy fahendrena », Charles RANAIVO, gazety Ny fiainana , 1972 Fanontaniana 1) Inona no atao hoe “fahalalana” araka ny hevitry ny mpanoratra ? 2) Inona no atao hoe “fahendrena”? 3) Inona no mety hitranga raha fahaizana fotsiny no ananana fa tsy misy fahendrena ?

 Fitsapam-pahaizana Lahatsoratra « Ny feon’ny Malagasy », Charles RAVOAJANAHARY, Ny tantaran’ny haisoratra malagasy , tak 50 Fanontaniana 1) Manao ahoana ny ray aman-dreny hendry ? 2) Toy ny inona ny zanaka hendry ? 3) Mbola mitoetra amin’ny fahendrena ve ny Malagasy ankehitriny. Lazao ny hevitrao ary tohano amin’ny ohatra. o ny hasina  Fampiharana ny lesona Ny lahatsoratra « Ny hasina », RAMAROLAHY, Rakitry ny elan’ny Ntaolo malagasy , 1972 Fanontaniana 1) Inona no atao hoe « hasina » ? 2) Inona avy ireo fepetra ho fampijoroana sy fitandroana ny hasina eo amin’ny tsirairay ?

 Fanazarana 81

Lahatsoratra « Ny ray aman-dreny », RAMBOANIAINA, Lahatsoratra voafantina , tak 147 Fanontaniana 1) Inona avy ireo andraikitry ny ray aman-dreny manoloana ny zanany ? 2) Omeo ny foto-kevitra ijoroan’ny lahatsoratra. 3) Manoloana andraikitry ny ray aman-dreny, inona kosa no anjaran’ny zanaka amin’izy ireo?

o Ny hasin’ny tanindrazana  Fampiharana ny lesona Tononkalo : « Ry Madagasikarako » Patrice S. RALAITAFIKA, Fampitaha , 1968, tak 28 Fanontaniana 1) Inona no atao hoe : tanindrazana araka ny fiheveran’ny mpanoratra ? 2) Inona no antony nandaozan’ny mpanoratra ny tanindrazany ? 3) Miseho amin’ny inona ny endriky ny hasina atao amin’ny tanindrazana araka ny voalaza eto ?

 Fanazarana Lahatsoratra « Rafi-pitondrana tamin’ny fanjakana zokiolona » R.P MALZAC, Histoire des royaumes hova , 1980 Fanontaniana 1) Iza no mitantana ny fitondrana ? 2) Fahefana inona avy no nananany ? 3) Nanao ahoana ny endrika isehoan’ny fitantanan-draharaha tamin’izany ? 4) Noho inona no nahatonga ny « zokiolona » hanana fahefana ?  Fitsapam-pahaizana Tononkalo « Vavaka », Dox Fanontaniana 1) Omeo ny hevi-dehibe aroson’ny tononkalo. 2) Avy amin’iza ny hasina ananan’ny tanindrazana ? 3) Inona no atao hoe “tanindrazana” amin’ny mpanoratra ?

82

D. Asa izarana o Ny tatitra  Tatitra toe-javatra : fivoriana, fampirantiana  Tatitra vaky boky araka ny safidin’ny mpianatra

o Ny famelabelaran-kevitra  Asan-tsokajy  Momba ny mpanoratra  Fanomezana lohahevitra

o Ny fibangoana asa soratra  Fampiharana ny lesona Lahasoratra « Fianakaviana moderina » Gilbert RATSIMBAZAFY, Ny veloma izay napetrany ,  Fanazarana Sombin-dahatsoratra ao amin’ny Hetraketraka , ED ANDRIAMALALA « Vero ».  Fitsapam-pahaizana Lahatsoratra « Ibointsy », Samuel RANDRIA Fanontaniana : Bangoy amin’ny andalana dimy ny lahatsoratra

o Ny fanadihadiana lahatsoratra  Fampiharana ny lesona Lahatsoratra « Ny vola », E. D. ANDRIAMALALA, Ny fanagasiana , tak 49-51 Fanontaniana : Hadihadio ny lahatsoratra ka diniho amin’izany ny herin’ny vola teo amin’ny Malagasy

 Fanazarana Tononkalo « Ny tanindrazantsika » I.P. ANDRIAMANGATIANA, Valiha , 1990 Fanontaniana : Hadihadio ny tononkalo ka diniho amin’izany ny hasin’ny Tanindrazana

 Fitsapam-pahaizana 83

Lahatsoratra « Ny fahendrena malagasy » ANDRIANTSILAVO, Pitik’afo , fevrier 1959, tak 28 Fanontaniana : Hadihadio ny lahatsoratra ka diniho amin’izany ny fahendrena malagasy.

o Ny famakafakan-kevitra  Fampiharana ny lesona « Ny marina mitavozavoza tsy mahaleo ny lainga tsara lahatra ». Fakafakao.

 Fanazarana 1 « Ny hendry ihany no anarina, fa raha mananatra ny adala dia ny lambany no ariany ». Fakafakao.

 Fanazarana 2 « Ny literatiora, izay asan’ny mpanoratra sy ny mpandaha-teny : olom-pirenena miara-miaina amin’ny mpiray tanindrazana aminy, dia taratry ny zava-misy sy ny vanim-potoana nipoirany ». Fakafakao.

 kilasy famaranana Ireto àry misy karazan-tombana natao tao amin’ny kilasy famaranana.

A. Tombana mikasika ny riba o Ny olombelona amin’ny ankapobeny  Fampiharana ny lesona : fanazavana sy famakafakana tenina mpanoratra na ohabolana

 Fanazarana 1 Lahatsoratra : « Ny olombelona sy ny biby » Charles RANAIVO, Ny Fiainana , 1963 Fanontaniana 1) Inona avy ireo elanelana misy eo amin’ny olombelona sy ny biby ? 2) Inona avy ireo maha olona voatanisa ao amin’ny lahatsoratra, araka ny fisainana malagasy ? Hazavao dia hamarino ny valinteninao.

 Fanazarana 2 84

Lahatsoratra : « Ny tontolo malagasy » RAKOTOHOVA Clet, Fokonolona sy fivoarana , tak.6 Fanontaniana 1) Fiainana inona no resahin’ny mpanoratra ao amin’ny lahatsoratra, manomboka amin’ny hoe : « Ny fiainana ho an’ny Malagasy dia … » 2) Mifandray amin’ny hita maso sy ny tsy hita maso ny Malagasy. Lazalazao ny momba izany.

 Fitsapam-pahaizana - « Ny androm-pahatanorana no tena ananan’ny olombelona hery, andrasana ny sarotra rehetra ». Fakafakao - Lahatsoratra « Fahatsapan-tena », RAINANDRIAMAMPANDRY, Hafatry ny ombiasy anankiray ho an’ny zanany. Fanontaniana : Hadihadio ny lahatsoratra ka asongadino ireto : -Ny anjara toeran’ny olombelona -Ny toetran’ny olombelona -Ny fifandraisana eo amin’ny mpitondra sy ireo mpanolotsaina nofidiny -Hazavao ary hamarino ny valinteninao

o Ny aina  Fampiharana ny lesona : famakafakana tenina mpanoratra na fanazavana ohabolana

 Fanazarana 1 Sombin-tantara « Aina saika nafoy » Régis RAJEMISA RAOLISON, Mamy ve ny miaina ? Fanontaniana 1) Ahoana no fahatsapana izany hoe « miaina » ? Inona no hany ifikiran’izy ireo amin’ny fahavelomana ? 2) Omeo ny fiheverana ny aina, araka ny hita ao.

 Fanazarana 2 Lahatsoratra « Samy manana aina » R.P. A. RAHAJARIZAFY, Filôzôfia malagasy, tak 50-52 85

Fanontaniana : hadihadio ny lahatsoratra ka asongadino : 1) Ny antony mahatonga ny Malagasy hifampitsimbana aina taloha, ary ireo endrika sy fomba nisehoan’izany 2) Ny fiovan’izany fitsimbinana ny aina izany ankehitriny 3) Ny voka-tsoa nateraky ny fifampitsim-binana ny aina voalazan’ny lahatsoratra  Fitsapam-pahaizana - « Aina lany itadiavam-bola, vola azo itadiavana aina ». Fakafakao - Lahatsoratra « Loharanon-taranaka » Jean Narivony, Amboaran-tononkalo , tak 125. Hadihadio ary asongadino : 1) Ny fifandraisan’ny ray aman-dreny sy ny zanaka 2) Ireo adidin’ny ray aman-dreny amin’ny zanany 3) Inona avy ireo fomba fitsimbinana ny aina fantatrao

o Ny razana – Andriamanitra – Zanahary .  Fampiharana ny lesona : Fanazavana ohabolana na famakafakana tenina mpanoratra

 Fanazarana 1 Lahatsoratra « Ny razana » RABEARIFENO Albert, Foto-pinoana malagasy , tak 8-9 Fanontaniana 1) Manao ahoana ny fiheverana ny razana hita ao amin’ny lahatsoratra : ny toetrany, ny adidiny, ny mombamomba azy ? 2) Inona avy no ataon’ny Malagasy izay mino fa mbola hitohy ny fifandraisany amin’ny razana ?

 Fanazarana 2 Lahatsoratra « Ny amin’Andriamanitra » Ntaolozandriny, Fanilon’ny tanora , desambra 1931 Fanontaniana 1) Oviana no nanomboka nino an’Andriamanitra ny Malagasy ? 2) Diniho ny ohabolana hita ao amin’ny lahatsoratra, dia lazao ireo toetoetrany sy ny anjara asa heverin’ny Malagasy fa ananan’ Andriamanitra. 86

3) Toy ny inona ny fihetsiky ny Malagasy manoloana an’ Andriamanitra. Hamarino ny valinteninao.

 Fanazarana 3 Lahatsoratra « Ny teny » Jacob IMBE, Hiratra 1 , 1979, tak 103-104 Fanontaniana 1) Lazalazao ny fiheverana ny Zanahary : ny anjara toerany, ny heriny, ny zava-bitany. 2) Toy inona ny « Teny » eto ? Tamin’ny inona no nampiasan’ny Zanahary azy ?

 Fitsapam-pahaizana - Lahatsoratra « Zanahary kristianina sy malagasy » Bernard RAVELOHARISON, Lanja miakatra , tak 15-16 Fanontaniana : Asehoy ny fahasamihafana eo amin’ny Zanahary kristiana sy ny Zanahary malagasy.

- « Mahagaga ny fitondran’Andriamanitra (…) Mandeha amin’ny lalana saro- pantarina Andriamanitra » Maurice RASAMUEL, Tao Manjakadoria . Fakafakao

B. Tombana mikasika ny literatiora o Ny asa soratra, ny kanto  Fampiharana ny lesona : famakafakana tenina mpanoratra

 Fanazarana 1 Lahatsoratra « Ny fanabeazana omen’ny boky » Randja Zanamihoatra, Ako sy feo , Teny mialoha. Fanontaniana 1) Karazan’asa soratra manao ahoana no mifandimby hita tamin’ireo boky nosoratan’ny mpanoratra ? 2) Lasa toy ny inona ny asa soratra vita boky ? 3) Amin’ny mpanoratra, tsara ve ireo karazana literatiora vita boky ireo ? Hamarino ny valinteninao. 87

 Fanazarana 2 Tononkalo « Hanoratra », Zo-Maminirina, Tontolo isainana , tak 48 Fanontaniana 1) Inona avy no entin’ny mpanoratra ho an’ny mpamaky ? Hazavao ny valin-teninao dia hamarino. 2) Inona ny literatiora araka izay voalaza ato amin’ity tononkalo ity ?

 Fanazarana 3 Lahatsoratra « Ny asan’ny mpanoratra » Lila RATSIFANDRIAMANANA, Rary kanto .1995, tak 10 Fanontaniana 1) Lazao izay mampiavaka ny mpanoratra amin’ny ankapoben’ny olona. Hazavao sy hamarino. 2) Miankina amin’ny zavatra betsaka no ahafahan’ny mpanoratra manatontosa asa kanto. Lazalazao ny momba izany. Hazavao dia tohano ny hevitrao.

 Fitsapam-pahaizana - Lahatsoratra « Ny haisoratra sy ny fandrosoana » Solofo José, Tribune , laharana 352, 15 febroary 1990 Hadihadio ny lahatsoratra ary asongadino : 1) Ny tsy maintsy tandroina amin’ny fizarana amin’ny fandrosoana, ary ny fomba atao. 2) Ny andraikitry ny mpanoratra manoloana ny fandrosoana. 3) Ny anjara asan’ny mpanoratra amin’ny fampandrosoana ny toe-tsain’ny tsirairay, ny fiainan’ny mpiray tanindrazana ary ny firenena.

- RANOE : « Ny mpamaky no sehatra ivelaran’ny soratra. Izy no mamelona ny soratra amin’ny alalan’ny fanakarana ny hevitra raketiny ». Fakafakao

o Ny vanim-potoana : fotoanan’ny saritsarim-pahaleovantena  Fampiharana ny lesona 88

Lahatsoratra « Ny fahendrena sy ny fandrosoana », FARIDANONANA, Tatamo XI , jona 1972, tak 8-9

 Fanazarana Tononkalo « Masoandro sasatra », RADO, Dinitra , 1970, Dinitra , tak 123-125 Fanontaniana 1) Inona no nantenain’ny mponina tamin’ny fahazoana fahaleovantena ? Hazavao sy hamarino 2) Porofoy ny fikatsahan’ny mpanoratra ny tena fahaleovantena sy ny vanim- potoana nipoirany.

o Ny vanim-potoana : fotoanan’ny tolom-piavotana  Fampiharana ny lesona Tononkalo « Manantena voka-tsoa » G.R.G.

 Fanazarana Lahatsoratra « Ny fiainam-pirenena » RANDRIAMAROZAKA, Bulletin de Madagascar , laharana 327, marsa-avrily 1976 Fanontaniana 1) Manao ahoana ny fahitana ny Malagasy teo aloha sy ankehitriny ? 2) Inona avy ireo toe-javatra misy teo amin’ny firenena ? 3) Omeo ny vanim-potoana tokony hisy ity lahatsoratra ity. Hamarino ny valinteninao

o Ny vanim-potoana : fotoanan’ny fanalalahana  Fampiharana ny lesona Tononkalo « Mampalahelo » A.F (Feno), Des 2000

 Fanazarana Lahatsoratra « Ny demôkrasia sy ny fahefana » Henri RASAMOELA, Lakroan’i Madagasikara , laharana 27-28, jona 1991 Fanontaniana : Hadihadio ny lahatsoratra ka diniho amin’izany : 89

1) Ny endrika isehoan’ny fahefam-bahoaka ao amin’ny firenena misy ny tena demokrasia. 2) Ireo fepetra amantarana ny fisian’ny demokrasia. 3) Ny voka-tsoa ateraky ny fisian’ny tena demokrasia ao amin’ny firenena.

 Fitsapam-pahaizana momba ny vanim-potoana Lahatsoratra : « Isika Malagasy sy ny tsy fahazakana ny hevitry ny hafa » Joseph RAKOTOSOLOFO, Midi Madagasikara , laharana 2458, 19-09-1991 Fanontaniana : hadihadio ny lahatsoratra ka asehoy : 1) Ny fifandraisan’ny zo sy ny demokrasia 2) Ireo toetra takina amin’ny tsirairay mba hahazakany ny hevitry ny hafa 3) Apetraho amin’ny vanim-potoana ny lahatsoratra. Hazavao ary hamarino ny valinteninao

o Ny mpanoratra  Jean Joseph RABEARIVELO Tononkalo « Ny foko manidina » Fanontaniana 1) Omeo ny foto-kevtra ijoroan’ny lahatsoratra 2) Lazao ny antony mahatonga ny mpanoratra ho diso fanantenana. Hamarino ny hevitrao. 3) Tsimpony ny tara-kevitra azo tarafina ao amin’ny tononkalo. Porofoy.

 Samuel RATANY Lahatsoratra « Tononkiran’ny Ntaolo », Mpanolo-tsaina , jolay 1925 Fanontaniana 1) Sokajina lahatsoratra inona ity ? 2) Asehoy fa tia manadihady ny mikasika ny maha Malagasy i Samuel Ratany.

 Jasmina RATSIMISETA Lahatsoratra « Veloma », Ny telegrafy , laharana 213, 28-12-28 90

Fanontaniana : Mizara telo ity lahatsoratra ity : ny voalohany miresaka ny amin’i Dokotera Rajaonah, ny faharoa mifono ny fandinihana nataony, ny fahatelo mampita ny fangatahana ataony. Farito ireo fizarana ireo ary voaboasy tsirairay.

D. Asa o Famintinan-dahatsoratra  Fanazarana 1 Lahatsoratra « Ny lahatra » R.P. RAHAJARIZAFY, Filôzôfia malagasy, tak 85-86

 Fanazarana 2 Lahatsoratra « Ny haren-tsaina malagasy » Nasolo Valiavo, L’Express de Madagascar , 21 octobre 1996

 Fanazarana 3 Lahatsoratra « Ny haisoratra sy ny zavaboary » AR-NI, Madagascar Tribune , 26-02- 90

o Fanadihadiana  Fanazarana 1 Lahatsoratra « Ny olombelona sy ny fandrosoana » FARIDANONANA, Ny fahendrena sy ny fandrosoana , in Tatamo XI , 1972, tak 8-9.

 Fanazarana 2 Lahatsoratra « Ny mpanoratra », Madagascar- Tribune , laharana 747, 1 jona 1992

 Fanazarana 3 Lahatsoratra « Ny fiheverana ny tsiny » François RAKOTONAIVO, Ny riba malagasy , tak 110

o Famakafakan-kevitra Fanazarana : famakafakana ireo tenina mpanoratra omena amin’ny lesona 91

Azo fintinina telo ireo endrika isehoan’ny tombana ao amin’ny sekoly Akanin’ny Marenina araka izany fanazavana izany : - ny fanontaniana miainga avy amin’ny lahatsoratra mba hanombanana ny fahazoana ny lesona sy ny fahaizana manadihady ireo ventin-kevitra ao anaty lahatsoratra - ny fanontaniana amin’ny alalan’ny famenoana hevitra tahaka ny hoe fenoy ny banga , tohizo . Ny tanjona amin’izany dia fananterana ny lesona, fanamafisana ny fitadidiana, ary ny fahazoana hevitra - ny fanontaniana tokana : hadihadio, fakafakao, izay hanombanana ny fahaizan’ny mpianatra mitsinjara ny fahalalany.

2.2.3.3 Fomba fitsarana ny tombana

Miezaka hatrany ny mpampianatra malagasy ao amin’ny sekoly Akanin’ny Marenina mitsara ny tombana omena ny mpianatra sy ny fomba hanitsiana azy ireo amin’ny fahadisoana nataony. Amin’ny ankapobeny, singa telo no notsaraina tamin’ny tombana nataony : ny fanehoan-kevitry ny mpianatra, ny fifanjohian-kevitra, ny tsipelina. Ampihariny amin’ireo karazan-tombana voalaza teo ambony ireo fomba fitsarana ireo. Eo amin’ny famelabelaran-kevitra sy ny tatitra, dia tsaraina ihany koa ny fihetsiky ny mpianatra. Ilaina koa ny mandinika, mihaino, mamantatra amin’ny alalan’ny fihetsika izay ampitainy 47 . Manamafy ny fanefena ho amin’ny maha olom-banona ny mpianatra koa izany. Eo amin’ny asa isan-tsokajy, ankoatra ireo voalaza ireo, dia tsaraina ihany koa ireto : ny asan’ny tsirairay, ny asan’ny sokajy (ny fandaminany ny asa sy ny fifandraisan’ny iray sokajy), ny asa novokarin’ny sokajy. Ireo fitsarana ireo moa no natao dia mba hampianarana ny mpianatra ho tompon’andraikitra amin’ny asa tontosainy, ary hahay hifandray amin’ny mpiara-miasa aminy 48 .

47 Gerard de Vecchi & Michelle Rondeau-Revelle, Favoriser la relation maître élèves , Delegrave Edition, Paris, 2006, tak 83 : « Noter ou donner une appréciation […] C’est aussi observer, écouter, tenter de décoder un certain nombre de signaux envoyés par les élèves dans les situations d’apprentissage ou de communication . » 48 Jean-François, Eduquer à la citoyenneté , Delegrave Editions, Paris, 2006, p 50 : « Pour évaluer le travail de groupe, vous devez prendre en compte : le travail de chacun, le fonctionnement du groupe, la production du groupe, la production du groupe. La combinaison de ces trois « niveaux » d’évaluation permet à chacun de se sentir à la fois responsable de soi et des autres, autonome et solidaire » 92

Fehiny Fototra iray tsy azo ialana eo amin’ny fampianarana ny fanaovana tombana. Io no fitaovana andrefesana na mahomby na tsia ny fampitana fahalalana natao tamin’ny mpianatra. Tsy diso anjara amin’izany ny mpianatra marenina, fa manatanteraka ireo tombana voarakitra ao anaty fandaharam-pianarana ihany koa izy. Manampy ny mpampianatra sy ny mpianatra amin’ny fanatratrana ny tanjona ny fanombanana. Noho izany, miezaka hatrany ny mpampianatra amin’ny fanomezana tombana ho an’ny mpianatra marenina ary manatontosa izany araka izay azony atao. Tsapany fa milofo fatratra ny mpampianatra amin’ny famitana ireo lesona voatondro ao amin’ny fandaharam-pianarana, izay voasokajy rahateo ho an’ny sekoly Ambaratonga Faharoa dingana faharoa. Amin’ny maha voafetra ny haabon-tsain’ny mpianatra marenina, sy ny tsy fahalavorariana ara-batana eo amin’izy ireo, dia tsy ny fahalalana rehetra ananan’ny mpampianatra no zarainy, fa tsy maintsy misy ny fifantenany ny fahalalana izay omena, ary ny fandrindrany izany eo amin’ny fampiatana azy. Miezaka ihany koa ny mpampianatra mampita ny lesona amin’ny fomba tsotra, fohy ary mazava, mba hahamora ny fandraisan’ny mpianatra marenina ny votoatin-desona. Miafara amin’ny fanombanana ny fampianarana izany, ka ny mpampianatra, na ny mpianatra, na ny fahalalana ampitaina, dia voasedra amin’izany. Amin’ny alalan’io mantsy no andrefesana na tratra na tsy tratra ny tanjona. Izany rehetra izany no tanterahina mba hahatafita ny fanabeazana ho an’ny mpianatra marenina, ary tsy hahalatsa-danja azy ireo amin’ireo tomombana ara-batana.

2.3 NY FITAOVANA AMPIASAINA AMIN’NY FAMPITANA LESONA

Zava-dehibe amin’ny fampianarana ny fitaovana ampiasaina amin’ny fampitana ny lesona. Voalohany amin’izany ny teny enti-mampianatra. Fitaovana ampiasaina amin’ny fandrantoam-pahalalana izy io. Amin’ny maha fitaovam-piasana azy, dia anisan’ny miantoka ny fahombiazana eo amin’ny famokarana izy. « Tsy fitaovam-pifaneraserana fotsiny ny teny enti-mampianatra, fa fitaovana fampitana fahalalana ary indrindra fitaovam-pianarana mahomby »49 . Eto Madagasikara, dia anisan’ny olana lehibe ho an’ny fampianarana ny fifidianana ny teny hoenti-mampianatra. Niovaova izany araka ny zava-nitranga teo amin’ny firenena : ohatra : - 1972 : fitakiana ny fanagasiana

49 D.BAKNES, the language and learning course team at the open university , London/Boston/Henley, 1982, tak 113 : « La langue d’enseignement n’est pas seulement un outil de communication dans la salle de classe, un moyen de transmission de connaissances. Bien plus, elle constitue un moyen majeur d’apprentissage » 93

- 1976 : fampiharana ny fanagasiana - 1990 : fiverenana tamin’ny fampiasana ny teny frantsay Raha tena mpanabe anefa ny mpampianatra, dia tokony ho ny teny malagasy no teny entiny mampianatra ny ankizy malagasy. Fehin-kevitra efa neken’ny Firenena Mikambana tamin’ny alalan’ny UNESCO izany : « Ny tenin-dreny no teny ampianarana voalohany ho an’ny zaza na ny mpianatra ary halavaina araka izay ela ny fampiasana azy »50 . Tanjona efatra no raketin’ny teny hoenti-mampianatra amin’ny teny malagasy : - manohy ny fihetseham-po, ny saina, ny kolon-tsaina mba hampivelatra ny mpianatra amin’ny lafiny samihafa - fampianarana mamaky teny sy manoratra - fanatsarana ny fitaovana fanehoan-kevitra am-bava sy an-tsoratra - fanefena hanana toe-tsaina : manadihady, mandravona, manakiana, tsy miandany 51 . Fa mba ahoana ny marenina ? Teny inona no teny hoenti-mampianatra ny ankizy marenina ?

2.3.1 Ny fampiasana ny « Tenin’ny marenina »

Hoy i SAUSSURE : « Ny teny dia fifanarahana ilaina ary ampiasaina eo amin’ny fiarahamonina iray »52 . Iombonan’ny mpampiasa azy izany ny teny, izany hoe, fifanarahana eo amin’ny mpiteny, ka ny tsirairay ao amin’ny fiarahamonina dia voafatotr’izany fifanarahana izany. Araka izany, ny teny dia lalànan’ny fiarahamonina iray mba hahazoany mifanakalo sy mifampita hafatra. Tsy mandeha irery anefa ny teny fa mifamatotra amin’ny saina, ny fiarahamonina, ny kolontsaina ary ny firenena. Mifandray ny teny sy ny saina satria tsy misy zavatra takatry ny saina ka tsy ambara amin’ny alalan’ny teny, toy ny fahalalana, ny fizohian-kevitra, izay ambara amin’ny alalan’ny teny avokoa ary hita soritra ao amin’ny endrika samihafa ananan’ny teny. Arakaraka ny traikefa ananana no mahatonga ny famoronana voambolana vaovao hatrany. Noho izany, mifamatotra ny teny sy ny saina ; ary ny fivelaran’ny saina dia mifototra amin’ny fifehezana ny teny.

50 Rapport de la réunion d’experts qui s’est tenue à Paris en 1951, publié sous le titre « L’emploi des langues vernaculaires dans l’enseignement », Monographies sur l’Education de base , Paris, UNESCO, 1953, tak 11 et tak 54 : « Les élèves reçoivent leur première instruction dans leur langue maternelle…le plus possible l’emploi de la langue maternelle dans l’éducation » 51 DIMBY VAOVOLO, « Réflexion sur l’élaboration des programmes de malagasy dans l’Education de Base et dans l’enseignement secondaire », seminaire National de réflexion sur l’Enseignement du Malgache dans le Monde Pluriculturel d’Aujourd’hui , Antananarivo, 10-15 déc 1990, 18p : « Voici les objectifs de l’enseignement du malgache : continuité du développement affectif, cognitif, et culturel de l’élève ; initiation à la lecture et à l’écriture ; perfectionnement des outils d’expression et de compréhension écrites et orales ; formation de l’esprit : analytique et synthétique, puis objectif et critique » 52 SAUSSURE, Cours de linguistique générale , Paris, 1978, tak.25 « la langue est un ensemble de conventions nécessaires adoptées par le corps social ». 94

Mifamatotra koa ny teny sy ny fiarahamonina satria mpiray ombona amin’ny teny no mandrafitra azy. Noho izany, ny fiarahamonina dia mametraka lalàna amin’ny fampiasana ny teny, ary ireny lalàna ireny dia lasa kolontsaina ; amin’ny alalan’ny teny ihany koa no aseho ny fifandraisana ; maneho ny fahasamihafan’ny saranga eo amin’ny fiarahamonina ny teny. Araka izany, ny teny no anehoana ny zava-misy eo amin’ny fiarahamonina iray, ary ny tsy itovizany amin’ny fiarahamonina hafa. Tsy afa-misaraka amin’ny kolontsaina izay fitambaran’ny fahazaran’ny olona koa ny teny. Mety ho fitaovana, na hevitra, na finoana, na fiheverana ireny fahazarana ireny, entina mamantatra ny kolontsaina ary entina miaina azy koa. Ny fiovana eo amin’ny kolontsaina dia hita taratra eo amin’ny voambolana vaovao ananan’ny teny. Araka izany, raha tiana hiaina ny kolontsaina ny olona, dia jerena ny fampiasany ny teny. Ny teny izay ampiasaina ao anatin’ny faritra izay voafefin’ny sisin-tany iray no atao hoe « tenim-pirenena », na inona na inona fisehoan’ny teny : fitenim-paritra samihafa na teny ôfisialy, nefa mifankahazo. Izany fiombonana izany no mahatonga ny hamafin’ny firaisan’ny mponina ao amin’ilay firenena. Araka izany, manana anjara toerana lehibe tokoa ny teny eo amin’ny fampivelarana ny maha olona. Rariny, noho izany, raha ny tenin-drazana no teny entina mampianatra ny ankizy. Tsy diso anjara amin’izany fampivelarana izany ihany koa ny marenina. Saingy, raha vava no ampiasain’ny besinimaro, ny an’ny marenina kosa dia ny tanana no fitaovana amoahany ny teny. Izany no nahatonga ny tenin’ny marenina hoe : « tenin’ny tanana ». Io teny io no fitaovam-pifandraisana sy fitaovam-panehoana hevitra eo amin’ny fiarahamonina misy ny marenina.

2.3.1.1 Ny teny enti-mampianatra ho an’ny marenina.

Raha ny teny aloaky ny vava amin’ny alalan’ny feo na fiteny, dia tsy ho tafita ary tsy ho hain’ny marenina mihitsy noho ny tsy fandrenesany. Araka ny efa voalaza anefa, izay teny ampiasain’ny olona manodidina azy no tokony hampianarana azy. Koa tsy iadian-kevitra fa ny teny gasy no hoenti-mampianatra ny marenina malagasy. Fa ny olana ho an’ny mpampianatra marenina, tsy eto Madagasikara ihany fa eran-tany, dia ny safidy, na hatao am-bava na hatao amin’ny tanana izany fampianarana izany. Misy ny sekoly mampianatra am-bava ny marenina, ka voasazy sy voakapoka izay ankizy mampiasa tanana. Maro ny ankizy marenina no sahirana tamin’izany. Nahazo vahana io fomba io tany am-boalohany. 95

Etsy an-daniny kosa ireo izay nanome lanja ny fampiasana ny tanana hampianarana ny marenina. Efa lasa lavitra tokoa ny fampiharana izany, ary azo ambara fa mahatonga ny marenina hanana ny maha izay azy eo anivon’ny fiarahamonina ny fanaovana io fomba fifaneraserana io. Maro ankehitriny ireo firenena efa mandroso no manaiky hampitovy lanja ny teny am-bava sy ny resaka atao amin’ny tanana. « Baiko na baiko moana » no teny nilazana izany hatramin’ny ela teto Madagasikara. Araka ny nambaran’ny mpanabe ny marenina, dia mifono fanesoana sy fanambaniana ny marenina sy ny moana ny teny hoe : « baiko moana ». Teny nentina nanindrahindra ny teny vahiny mantsy io teny io. Entina milaza fanirahana, fandidiana hanao zavatra amin’ny fomba hentitra sy henjana arahin’ny fihetsiky ny tanana ny teny hoe « baiko ». Amin’ny maha olona mitovy amin’ny besinimaro ny marenina anefa, ary noho ny fitiavana hanome lanja mitovy ny serasera ifanaovan’ny besinimaro sy ny serasera ifanaovan’ny marenina, dia tsy ny dikan-teny no atao mibahana be an-tsaina, fa ny sary, ny tandindona, ary ny endrika ao ambadika fonosin’izay tian-kambara. Izany no nahatonga ny fampiasana ny teny hoe : « Tenin’ny Tanana » ho solon’ny teny hoe « baiko moana ». Efa miparitaka, ary tian’ny marenina mampiasa ny Tenin’ny Tanana io teny io, ka tsy menatra ny hampiasa izany eny imasom- bahoaka intsony ny marenina. Tamin’ny fotoam-piasan-dRamatoa FINSTAND, dia tsy nirona tamin’ny am-bava fotsiny, fa mampiasa « baiko » miaraka tamin’ny fiteny am-bava. Azo eritreretina ho efa namoha sahady sekoly mampiasa ny serasera rehetra ho an’ny marenina izy. Na izany aza, hita ho mibahan- toerana ihany ny fampianarana am-bava. Ankehitriny dia mbola eo hatrany izany safidy izany, saingy, hatevenina kosa ny fahaizan’ny ankizy ny « Tenin’ny Tanana » mba hahamatotra ny fahafehezany ny teny malagasy. Ny « Tenin’ny Tanana » mantsy no manampy ny ankizy amin’ny fahazoana ny teny malagasy, ary tsy mandreraka ny mpianatra marenina ny fampianarana azy. Amin’izany, ny teny am- bava sy ny an-tsoratra dia manazava bebe kokoa ny « baiko » mbola tsy misy. Saingy, raha zatra « Tenin’ny Tanana » loatra ny ankizy, dia ho kamo miteny izy, ary tsy hahay hamaky teny amin’ny molotra intsony any aoriana. Izany no antony tsy azo anaovana ho ambanin- javatra ny fiteny am-bava, na ho an’ny mpianatra, na ho an’ny mpampianatra. Araka izany, ny « Tenin’ny Tanana » dia fitaovana tena mahomby amin’ny fampianarana marenina, fa ny teny am-bava kosa no tena serasera mampiditra azy ao anaty fiarahamonin’ny mandre maro anisa. 96

2.3.1.2 Ny fikarohana momba ny « Tenin’ny Tanana »

Tsy misy mihitsy ny fomba efa vita lasitra nalain-tahaka, ka hampiharina avy hatrany amin’ny fampianarana ny marenina eto Madagasikara. Tsy maintsy miainga amin’ny zava-misy eto an-toerana, ary izany no hatsaraina sy itarina mba hahazoam-bokatra tsara. Tsy ho vitan’olon- tokana koa izany, fa ilaina ny fiaraha-miasan’ny mpanabe rehetra. Tsy misy afaka mitompo teny fantatra ho manana ny marina ny tsirairay, fa izay hevitra miposaka dia iadian-kevitra alohan’ny hampiharana azy. Raha ny tenin’ny vava no enti-mampianatra ny marenina dia tsy ratsy tsy akory, saingy, maro ny teny tsy azony, tsy mazava tsara ny fihetsiky ny molotra ary mety tsy ho araka ny filahatry ny teny sy ny hevitra ambarany. Mahaela ny fampianarana izany, ary na dia misy aza ny vokatra, tsy ho tonga lafatra, sady azo antoka fa ireo kinga maso sy saina ihany no ho tafita. Teo anatrehan’izany, nifanaraka ny mpanabe, fa ny « Tenin’ny Tanana » no tsy maintsy atao izay hampivelatra azy tsara. Atao ahoana àry no fanatanterahana izany ? Raha ny « baiko » no ampiasaina ho « Tenin’ny Tanana » dia betsaka ireo teny malagasy no mbola tsy voafaritra ho amin’izany. Ankoatra izany, tsy tambo isaina ireo voambolana vaovao miseho ao anatin’ny taranja samihafa. Etsy ankilany koa anefa, misy teny samy hafa na mitovitovy hevitra aseho amin’ny alalan’ny « baiko » iray : « baiko » iray no anehoana ireto teny ireto : Amena, tokoa, tanteraka, dia, marina, tena ; baiko iray hafa no ilazana ireto : mamonjy, manavotra, manafaka. Ireo no olana mipetraka amin’ny fampiasana ny « Tenin’ny Tanana ». Tsy nijanona teo fotsiny anefa ny tompon’andraikitra, fa nikaroka vahaolana. Tapaka ny hevitra, fa hitady « baiko » samy hafa ho an’ireo teny mitovy (ohatra : Amena, tokoa, tena ) ary hitady « baiko » vaovao ho an’ireo teny mbola tsy manana izany (ohatra : manavotra, manafaka ). Teo no nanomboka ny fikarohana, ary vetivety dia nivelatra ny fahalalan’ny mpianatra ny antsipirian- teny, ary nihanazava tamin’izy ireo ny teny malagasy. Mbola nisy ihany anefa ny olana nitranga teny am-pandehanana. Ny teny malagasy ve no atao « Tenin’ny Tanana », ka ilaina haseho « baiko » avokoa na dia ireo teny madinika aza, toy ny mpanoritra, ny mpampiankin-teny, ny mpampitohy ? Ny « fitenin’ny marenina » ve no ampiasaina hoenti-mampianatra azy ? Ny antsoina hoe « fitenin’ny Marenina » dia ny « Tenin’ny Tanana » ifanaovan’izy samy marenina. Ny tsikaritra dia tsy misy maharaka izany, na dia ireo mpampianatra efa ela nihetezana aza : tsy azonao izay resaka ifanaovany ; tsy hainao koa ny hampita resaka amin’izany fomba izany. Fa matoa azo ny resaky ny 97

marenina, dia satria ny teny malagasy no ezahiny atao « Tenin’ny Tanana » ary ampiany tenin’ny vava mba tsy hahavery ny olona mihaino. Araka izany dia misy fifandisoan-kevitra ihany eo amin’ny fifidianana ny teny hoenti- mampianatra ny marenina. Tokony ho teny mahazatra azy no entina mampianatra azy. Raha izany, dia tokony hanao ezaka be ny mpampianatra mba hianatra io « Tenin’ny Tanana » fanaon’ny marenina io. Amin’izao fotoana izao, ny ankamaroan’ny mpampianatra ao amin’ny Akany dia mandre. Tenin’ny vava no mahazatra azy ireo. « Tenin’ny Tanana » anefa no tena hain’ny marenina. Ka ahoana ny fomba hampifanatonana ireo ? Nalaim-panahy ny mpanabe tao amin’ny Akanin’ny Marenina hamadika ny teny malagasy amin’ny « Tenin’ny Tanana ». Ny teny malagasy moa, sady hain’ny mpanabe, no teny ampiasaina eo amin’ny fiarahamonina, teny analana fanadinana na ho an’ny marenina ihany koa aza. Masaka tao an-tsainy araka izany, ny hampihatra ny teny malagasy. Koa nezahiny izay hahaizan’ny marenina faingana ny teny malagasy amin’ny alalan’ny « Tenin’ny Tanana ». Miampy izany, ny fandrafetana ny voambolana malagasy amin’ny Tenin’ny Tanana ». Araka ny nambara, efa mahatratra arivo mahery ny voambolana voaangona tamin’ny alalan’ny fiaraha-miasan’ny mpianatra sy ny mpanabe ary ny tompon’andraikitra. Tombontsoa telo no azo avy amin’izany araka ny voalazan’ny tompon’andraikitry ny sekoly :  hifankahazo misimisy kokoa ny mpanabe sy ny beazina, satria hifanatona akaiky ny « serasera » ifanaovana. Efa azo ambara fa tsy manafoana na manimba ny « Tenin’ny Tanana » ifanaovan’ny marenina ny fampianarana ny teny malagasy. Samy mahazo tombony ny roa tonta amin’izany : ny mpampianatra afaka manao teny malagasy tsara amin’ny « Tenin’ny Tanana » ; ny mpianatra afaka mampitombo isa ny fiteniny.  mety ho azo atao amin’izany ny mandika ny teny malagasy amin’ny « Tenin’ny tanana mba ho azon’ny marenina. Na izany aza anefa, tokony hianarana koa ny fiteniny mba hahafahana mandika azy amin’ny teny malagasy.  ny zava-dehibe indrindra dia ny fampitomboana isa ny marenina ho lasa manam- pahaizana hirotsaka amin’ny fampianarana, sy ny fikarohana. Amin’izany, dia izy no hanova ny tsy mety rehetra natolotra azy teo aloha, sady hametraka ny « Tenin’ny Tanana » amin’ny toerana sahaza azy eo amin’ny fiarahamonina sy ny firenena.

Fehiny : Araka izany, ny « tenin’ny Tanana » no teny voalohany entin’ny marenina mifandray, ary amoahany ny fihetseham-pony. Ny « teny malagasy » kosa no teny faharoa ho azy. Ny teny 98

moa no mamaritra ny maha izy azy ny tsirairay, mampifandray amin’ny tontolo manodidina ny marenina, ahatsiarovany fa tompon-tany izy ary anisan’ny Malagasy. Ny teny koa no maneho ny tantara, ny kolontsaina misy eo amin’ny firenena.

Ahitana sokajy roa ny fampiasana ny « Tenin’ny Tanana » : fampiasana ny alfabetan’ny « Tenin’ny Tanana » ary fampiasana ny voambolana amin’ny « Tenin’ny Tanana ».

• fampiasana ny alfabetan’ny « Tenin’ny Tanana » Mitovitovy ny alfabetan’ny « Tenin’ny Tanana » ampiasain’ny marenina eran-tany. Miisa enina amby roapolo izy ireo. Ampiasaina amin’ny fanononana anarana na teny sarotra na voambolana tsy mbola ahitana « baiko » ny alfabeta. Ireto avy ireo alfabetan’ny Tenin’ny Tanana ireo.

99

100

101

• fampiasana ny voambolana amin’ny « Tenin’ny Tanana ». Araka ny efa voalaza dia sarotra sy mandreraka ny mamantatra ny tian-kambara raha tononina tsirairay amin’ny alfabetan’ny Tenin’ny Tanana ny voambolana. Noho izany, misy ireo voambolana anehoana ny hafatra amin’ny « tenin’ny Tanana ». Noforonin’ny mpanabe na ny mpianatra marenina isam-paritra ireo voambolana ireo, ary niainga amin’ny zava-misy no namoronany azy. Toy izao ny santionany amin’ireo voambolana amin’ny « Tenin’ny Tanana » ireo.

102

103

104

105

106

107

2.3.1.3 Ny fomba fampianarana ny « Tenin’ny Tanana »

Mba hahazoana tsara ny fomba fampianarana ny « Tenin’ny Tanana » dia asian-teny aloha ny fianaran’ny zaza tomombana miteny.

a) Ny fianaran’ny zaza tomombana miteny

J. PEYTARD sy E. GENOUVRIER dia nanambara tao amin’ny lahatsoratra nosoratan’izy ireo, mitondra ny lohateny hoe : « l’enseignement de la langue maternelle », fa tsy ilaina ny fampianarana ny teny voalohany satria zavatra hay voajanahary izany, tahaka ny zaza mianatra mandeha. Tcheque an Amos Komensky 53 dia manamafy fa ilaina ny haifampianarana ny teny voalohany. Izy ireo no namorona izany tamin’ny taonjato faha XVI. Miainga amin’ireto hasin-kevitra dimy ireto ny anton’izany fampianarana ny teny voalohany izany, hoy izy ireo : - fampahalalana ny anjara toeran’ny tsirairay eo amin’ny fiarahamonina - fampahafantarana ny mpianatra ny foto-pisainana raketin’io teny io - fampahalalana ny kolontsaina - fitarihana ny mpianatra hanome hasina ny tenany, hanasongadina ny maha izy azy amin’ny maha fitaovam-pamoronana, fitaovam-pahefana, fitaovam-pifandraisana ny tena. - fitaizana amin’ny maha olom-pirenena, satria ny fananana ny teny no maha firenena ny firenena. Fehiny : Araka izany, ilaina ny fianarana ny teny voalohany mba hampivelarana ny maha olona eo amin’ny fiarahamonina, eo amin’ny tsirairay ary eo amin’ny firenena. Ho an’ny tomombana ara-batana, dia misy ambaratonga manaraka ny sokajin-taona ny fianarana ny teny. Mizara ho ambaratonga dimy izany : • 0-9 volana : Ampiasain’ny zaza amin’ny fandinihana, ny fihainoana ny taovam-pandrenesana samihafa ananany (ny sofina, ny maso, ny molotra, ny orona, ny hoditra) ary ampifandraisiny amin’ny filany toy ny hanoanana, ny hatezerana, ny hafaliana. Manomboka mizatra amin’ny fampiasana ny taova izy, amin’ny alalan’ny kiakiaka na ny tomany, ohatra. Eo amin’ny fahafito volana dia efa mianatra mibadabada ary

53 Lesona Didactique de la matière, Taona fahefatra. 108

mamoaka ny teny sasantsasany efa reny. Manao fanazaran-tena amin’ireo taovam- pandrenesana ireo izany ny zaza hatreo amin’ny fahasivin’ny volana.

• 9 volana-2 taona : Manomboka mahazo ny hevitry ny teny na ny famantatra ny zaza. Andramany ampiasaina araka ny fahazoany azy ny teny reny. Indraindray anefa, azony fotsiny, fa tsy hainy ny fampiasana azy. Ny teny azony indray dia ampiasainy ary ampifandraisiny amin’ny filany, ny zavatra tiany. Marihina fa mbola tsy mahay manavaka ny firafitry ny hafatra fonosin’ny fehezanteny ny zaza amin’io sokajin- taona io: tsy fantany iza na inona no resahina ao ary inona no ambara momba izany?

• taona – 3 taona : Manomboka mahay manavaka ny hasim-peo izy. Mihena tsikelikely ny fimpetsompetsonana, fa efa misaina ny teny teneniny. Mihaino tsara, miezaka mampiasa ny hasim-peo araka ny tokony ho izy. Mihena ny antsoina hoe « exercice phonatoire », fa manao ny « exercice phonématique » ny zaza. Na izany aza, dia mbola manafangaro ny hasim-peo mitovitovy izy. Manomboka mandrafitra fehezanteny, ary mahay manavaka ny teny samihafa toy ny matoanteny ny anarana.

• taona-5 taona : Manatsara ny fomba fandrafetana fehezanteny, ny fanononana, ny fanehoan-kevitra ny zaza, ary manabe voho ny voambolana.

• 5 taona-6 taona : Mahafehy ny teny ny zaza amin’ny ankapobeny : fifehezana ny hasim-peo, ny voambolana, ny fehezanteny. Azo ambara fa efa mahay miahino sy miteny tsara ny zaza. Mandritra ireo ambaratonga ireo, dia miainga ao an-tokantrano, avy amin’ny alalan’ny fianakaviana no ianaran’ny zaza ny teny voalohany. Miankina amin’ny hanatsaran’ny fifaneraserana sy ny hamaroan’ny fifandraisana no mahavanana na tsia ny fitenenan’ny zaza. Manomboka eo amin’ny fahenin-taonan’ny zaza, dia miditra an-tsekoly izy, manatevina ny teny efa hainy ary mampivoatra izany. Manomboka miasa ny tanana amin’ny famadihana ny feo re ho sary na ho soratra. Ny soratra mantsy dia mamolavola ny olona, manery hanome endrika milamina ny teny sy ny fiteny, mitaiza mba hahay manavaka amin’ny fanoratana sy ny fanononana. Mandra-pahatongan’ny ankizy any amin’ny kilasy ambaratonga faharoa, dia 109

hatevenina hatrany ny fianarana ny teny mba hahatratrarana ny tanjona efa napetraka ao amin’ny tanjon’ny fampianarana ny teny.

b) Ny fianaran’ny marenina ny « Tenin’ny Tanana »

Ho an’ny marenina kosa, tsy mitovy amin’izany ny fianarana ny « Tenin’ny Tanana ». Tsy hatrany am-boalohany akory ny fianarana ny teniny, fa manomboka eo amin’ny fahadimy taonany, izay taona idiran’ny marenina ao amin’ny kilasy akanin-jaza. Mpianatra tsy mihoatra ny folo no hita ao anatin’ny kilasy, ary mpampianatra roa. Ankoatra ny famohana ny vavahidin-tsain’ny mpianatra amin’ny alalan’ny fihetsiketsehana samihafa, dia vain-dohan- draharaha ny fampianarana ny « Tenin’ny Tanana ». Fomba roa no ampiasaina amin’izany fampianarana izany : ny « démutisation », sy ny « oralisme ». Ny « démutisation » dia fampianaran’ny « Tenin’ny Tanana » izay tsy mampiasa ny soratra sy ny vava, fa ny tanana ihany no ampiasaina. Ny « Oralisme » kosa dia fampianarana mamoaka feo amin’ny vava. Mampiasa fitaovana amin’izany, ary ny fanononana ny alfabeta sy ny voambolana no ianarana. Ohatra : - rehefa manonona alfabeta « f » dia mampiasa labozia - rehefa manonona alfabeta « s » dia mampiasa kirioka - rehefa manonona ny voambolana « dada » dia aseho an-tsary ny sarin’i Dada. Mandritra ny telo taona no ampianarana sy amolahana ny mpianatra marenina mba hahay ny fototry ny « Tenin’ny Tanana ». Tsy mifindra ao amin’ny kilasy fahasivy ny mpianatra raha tsy mbola mahafehy izany. Marihina fa efa mianatra manoratra tsikelikely ny alfabeta sy ny voambolana ny mpianatra, fa tsy mandrafitra fehezanteny, mandritra ny fanaovana « oralisme ». Ao amin’ny kilasy fahasivy ny zaza no mianatra ny mamorona fehezanteny, ary miezaka hahazo ny tian’ny lahatsoratra iray hambara. Toy izao ny dingana arahina amin’izany : - manao vakiteny amin’ny « Tenin’ny Tanana » ny mpampianatra - mamerina mamaky ny mpianatra - mamoaka feo fotsiny fa tsy mampiasa tanana - mamoaka ny hevitry ny lahatsoratra ny mpampianatra - asaina avoakan’ny mpianatra amin’ny « Tenin’ny Tanana » izany. - manoratra, ary mandrafitra ho fehezanteny ny mpianatra 110

Marihina fa tsy mitovy ny firafitry ny fehezanteny amin’ny « Tenin’ny Tanana » sy ny fehezanteny amin’ny fomba fanoratana mahazatra.

Ohatra : Fehezanteny amin’ny « Tenin’ny Tanana » Fehezanteny amin’ny soratra • Olona manao ny asa/asa atao • Asa natao/olona manao asa Ohatra : Dada miasa Ohatra : miasa i Dada • Tsy mampiasa mpanoritra na • Mampiasa mpanoritra na mpampitohy na mpampitohy na kian-teny mpampiankin-teny Ohatra : Neny matory Ohatra : Matory i Neny • Fotoana/olona manao ny asa/asa atao • Asa/olona/fotoana Ohatra : Anio zoky mamboly Ohatra : Mamboly i Zoky anio

Fafana 15 : Fahasamihafana ara-pifehezanteny amin’ny « Tenin’ny Tanana » sy ny soratra

Tany am-piandohana, azo ampiarahina ny « Tenin’ny Tanana » sy ny famoahana feo amin’ny vava mandritra ny fampianarana. Ankehitriny, tsy azo atao izany, satria sahirana ny mpianatra amin’ny fanarahana ny « Tenin’ny Tanana » sy ny vavan’ny mpanabe. Rehefa any ivelan’ny kilasy anefa, dia mahazo mampihatra izany ny mpampianatra sy ny mpianatra. Izany no atao, dia ny hampiasan’ny mpianatra ny vavany, ary hamolahany ny feo izay avoakany. Mandra-pahatongan’ny mpianatra marenina any amin’ny kilasy ambaratonga faharoa, dia manabe voho ny voambolana amin’ny « Tenin’ny Tanana » izy ireo, ary mihamahafehy ny « Tenin’ny Tanana » sy ny « teny malagasy ». Fehiny : Ho famintinana izay voalaza momba ny « Tenin’ny Tanana » izay dia voaporofo fa tsy latsa-danja noho ny tomombana ara-batana ny marenina. Mba hahatafita tsara ny fampianarana, dia manana ny « Tenin’ny Tanana » izy ireo ho fitaovana voalohany enti- mampita ny fahalalana ary ho fitaovam-pifaneraserany. Ny « teny malagasy » kosa no teny faharoa izay manampy amin’ny fanefena ny maha olona azy ireo. Tsy hay ho azy anefa ny « Tenin’ny Tanana », fa ilaina hianarana.

111

2.3.2 Fitaovana fanatanterahana ny fampianarana

Ankoatra ny teny hoenti-mampianatra, dia ao ihany koa ireo fitaovana samihafa ampiasaina mba hampahomby ny fampianarana ao amin’ny sekoly Akanin’ny marenina : ny solaitrabe, ny lahatsoratra, ny boky.

2.3.2.1 Ny solaitrabe

Fitaovana fototra amin’ny fampianarana ny marenina ny solaitrabe. Manampy ny mpianatra mivantana izy io amin’ny fahazoana ny lesona. Eo mantsy no anazavana sy andikan’ny mpampianatra izay zavatra rehetra atao ao an-dakilasy. Miara-dalana amin’izany ny fampiasana ny tsaoka maro loko mba hanasongadinana ireo hevi-dehibe manan-danja voalaza amin’ny lesona, ary ireo voambolana tokony hotadidin’ny mpianatra. I CICERON dia manambara fa « ny fahatsiarovana noraisina tamin’ny alalan’ny maso no azo antoka indrindra rehefa voalahatra tsara ny heviny »54 .

2.3.2.2 Ny lahatsoratra

Anisan’ny fitaovana tsy azo ialana amin’ny fanatanterahana ny fampianarana ho an’ny mpianatra marenina ihany koa ny lahatsoratra mifanentana amin’ny mpianatra. Toy izao manaraka izao ny fanivanana ny lahatsoratra ataon’ny mpampianatra :

a) lahatsoratra fohy, tsotra ary ahitana fehezanteny mazava tsara Araka ny efa voalaza, miasa bebe kokoa ny maso ho an’ny mpianatra marenina. Na izany aza, dia voafetra ihany ny zavatra voarainy vokatry ny tsy fahatomombanana eo aminy, ka tokony ho tsotra, ho fohy ary hazava ny fampianarana. Tahaka izany koa ny lahatsoratra : mba hahamora ny fahazoan’ny mpianatra azy, dia kendrena ny tsy hahitana fehezankevitra maromaro ao anaty fehezanteny iray, na koa fehezanteny saro-drafitra. Raha toa ka misy fahasarotana ny lahatsoratra, dia tsy maintsy asiana fanamboarana ny fehezanteny. Eo amin’ny andalana dimy ambin’ny folo eo ho eo ny halavan’ny lahatsoratra. I David P PEARSON tao amin’ny Université de Minnesota dia nanamafy fa ny fehezanteny tsy lava loatra sady tsotra no tadidin’ny mpianatra kokoa.

54 CICERON, de oratore , tak 139, in F.Richandeau « Conception et production des manuels scolaire », guide pratique, Editions 1979 112

b) lahatsoratra voarafitra tsara Ny fampianarana ny taranjan’ny teny dia tsy hoe mianatra mba hahay teny fotsiny, fa ianarana avokoa ny fifehezanteny, ny fomba fanoratra, ny fanehoan-kevitra. Tsy ampy anefa ny fanazavana am-bava, fa tsy maintsy mahita maso ny mpianatra, satria ny zavatra ampitaina amin’ny hita maso raisina amin’ny alalan’ny heviny no mitoetra amin’ny fitadidiana. Izany no antony ifantenana ny lahatsoratra voarafitra tsara : - misy drafitra mazava tsara : teny fampidirana, famelabelarana, teny famaranana - ahitana rafi-pehezanteny tsotra : enti-milaza, lazaina, fameno, - tsy dia misy voambolana sarotra mba hahazoana manao ny fanazavana amin’ny tenin’ny tanana. Hoy i Jean FOUCAMBRET : « Ho an’ny ankamaroan’ny ankizy, […] ny voambolana vaovao ; ankoatra ireo ianarany any amin’ny fianakaviany […] Ao amin’ny soratra no ahitany tsikelikely ny heviny ary rehefa mazava aminy tsara izany, izay vao andramany ampiasaina »55

d) lahatsoratra mamintina lesona na ahitana hevitra vaovao mifandray amin’ny lohahevitra. Io lahatsoratra io dia atao hiaingana amin’ny fanazavana ny lesona. Moramora kokoa mantsy ny fanazavana amin’izany, satria misy hevitra isan-karazany izy manampy amin’ny fahazoana ny lesona

e) lahatsoratra manome fanabeazana Araka ny efa nambara, tsy dia mifanerasera amin’ny tontolo manodidina azy ny marenina. Noho izany, misy ihany ny fahabangana eo amin’ny fanabeazana iainan’izy ireo. Mba hamenoana izany, dia mampiasa lahatsoratra ahitana fanabeazana ny mpampianatra. Amin’ny alalan’ireny no hanoroana, hanitsiana izay tokony ho fiainana mba hahatonga ho olom-banona ny mpianatra marenina.

Fehiny : Araka izany, mitana anjara toerana lehibe eo amin’ny fampianarana ny marenina ny lahatsoratra. I Claudine LELEUX dia manambara fa « manana anjara toerana telo ny lahatsoratra eo amin’ny fampianarana : voalohany, mampitovy ny mpianatra eo amin’ny fitaovana iaingana ; faharoa, manampy ny mpianatra mba hanana hevitra milamina izay

55 Jean FOUCAMBRET, la manière d’être lecteur, Paris Séramp-Haitier, 1976, tak 133 113

voarainy amin’ny alalan’ny hevitry ny mpanoratra ; farany, manampy ny mpianatra amin’ny fanorenana ny heviny amin’ny fiheverana ny manodidina, hahafahany mamaha ny olana manoloana ny fifanandrinan’ny hevitra amin’ny hafa »56 .

2.3.2.3 Ny boky

Lafin-javatra telo no ambara mikasika ny boky : ny tombontsoa azo amin’ny vaky boky, ny boky enti-mampianatra ao amin’ny sekoly AKA.MA, ny fomba fitrandrahana lahatsoratra na boky.

a) Ny tombontsoa azo amin’ny vaky boky Tsikaritra tamin’ny fanaraha-maso ny lesona tany an-dakilasy, fa nomen-danja ihany koa ny vaky boky izay dingana faharoa tanterahin’ny mpianatra marenina ary manampy azy amin’ny fahazoana ny lesona. Tombontsoa telo no azo avy amin’ny vaky boky araka ny fanazavan’ny mpampianatra : - voalohany, fitaovana entina mampivoatra ny fahaizana sy ny fahalalana ny vaky boky. Tsy àry ho voalaza ao an-dakilasy avokoa ny zava-drehetra. Noho izany, amin’ny alalan’ny vaky boky no amenoan’ny mpianatra ireo fahalalana izay heverina fa tsy ampy, satria, « fitaovam-pahalalana tonga lafatra ny vaky boky »57 . Ankoatra izay, manampy ny mpianatra amin’ny fandrafetana fehezanteny sy fandaminana ny fahalalana efa ananany ny vaky boky. Hoy i J.P. SARTRE : « ny fanaovana vaky boky dia mety hahatomombana kokoa ny fahaiza-mamorona »58 . - faharoa, fitaovam-pamolahan’ny mpianatra ny vavany amin’ny famoahana ny feo ny vaky boky. Na dia mampiasa tanana aza ny marenina mba ho fitaovam-pifandraisana dia tsy maintsy ampiasaina ny vava amin’ny famoahana feo, ary indrindra mba hahafantatra izay ambaran’ny mandre. Tsy ampy anefa ny fampiasana ny vava, ny fifaneraserana ao an-dakilasy sy eo amin’izy samy izy. Noho izany, ilaina ny vakiteny mba hahakinga ny famoahana ny feo. Arakaraka ny fahazotoana mamaky teny, hoy ny

56 Claudine LELEUX, Education à la citoyenneté , tome 2, Editions De Boeck, Belgique 2006 : « le texte tient une place privilégiée dans l’éducation pour au moins trois raisons : d’abord, parce que il met les élèves à égalité devant un réferentiel commun ; ensuite, parce que la pensée des auteurs qui s’y est développée sous une forme cohérente et argumentative, permet d’initier les élèves à une pensée articulée ; enfin, parce qu’ils ont contribué à élaborer les concepts dont on a eu besoin pour penser le monde en évolution, de les confronter aux difficultés que d’autres, avant nous, ont rencontrées pour penser ». 57 R TORAILLE sy ny namany, L’apprentissage de la lecture et de l’écriture , Paris, Bordas, 1970, tak 291 « la lecture est une connaissance instrumentale parfaite ». 58 J.P.SASTRE, Qu’est ce que la littérature ? Editions Gallimard, France, 1970, tak 58 : « […] la création [ ] peut trouver son achèvement [ ] dans la lecture ». 114

mpampianatra, no mampahazava tsikelikely ny feo tononina. I RICHAUDEAU dia manamafy izany fa « raha mitoetra ho fitaovam-pahalalana voalohany indrindra ny vakiteny, dia tsotra ihany ny antony : satria mahomby kokoa izy, noho ireo tekinika vaovaon’ny haino aman-jery »59 . Araka izany, tsy azo atao ambanin-javatra ny vaky boky, fa rehefa misy fotoana banga dia tokony hiditra ao amin’ny trano famakiam- boky ny mpianatra.

- fahatelo, mampivelatra ny mpianatra amin’ny tontolo hafa ny vaky boky. Hoy i RICHADEAU : « ny fahaiza-mamaky teny amin’ny heviny tsotra indrindra dia harena sarobidy »60 . Araka izany, ahitana karazan-javatra amin’ny lafiny rehetra ao anaty boky. Amin’ny alalan’ny famakiana azy no amantarana ny zava-misy rehetra izay manampy amin’ny fampivelarana ny maha olona.

Fehiny : Manana anjara toerana lehibe eo amin’ny fampianarana ny vaky boky, satria sady fitaovana enti-mampandroso izy, no manampy amin’ny fomba fanehoana manokana eo amin’ny mpianatra marenina. Yetta GOODMAN sy Caroline BURKE dia nanome ohatra izay natao kisary momba ny fiasan’ny saina amin’ny vakiteny. Maneho io kisary io fa mampanan-karena ny famakian- teny, na eo amin’ny fomba fanehoan-kevitra izany, na eo amin’ny fomba famoronana.

59 RICHAUDEAU, Lecture rapide , collection « Marrabout service » 1969, tak 20 « si la lecture reste le moyen primordial d’acquisition de la connaissance, c’est simplement parce qu’elle est plus efficace que les nouvelles techniques audiovisuelles » 60 RICHAUDEAU, op. cit. tak « Savoir lire, au sens le plus humble de l’expression, était une richesse » 115

Vinavinan’ny mpamaky momba izay zavatra

andrasany eo amin’ilay asa soratra vakiny

Lahatsoratra na asa Fanaporofoana ny vinavina

soratry ny mpanoratra nataon’ny mpamaky

Fanehoan’ny mpamaky ny Fitahirizany an -tsaina izay zavatra voarainy amin’ny voaporofony sy azony ary fombany manokana neken’ny eritreriny

Kisary 2: Ny fiasan’ny saina amin’ny vakiteny 61

b) Ny boky enti-mampianatra ao amin’ny sekoly AKA.MA

Ankoatra ireo boky efa voatanisa amin’ny fandaharam-pianarana izay voasokajy ho an’ny kilasy voalohany sy ny kilasy famaranana toy Ny fanagasiana , ny Vakivakim-piainana , dia mampiasa ny boky Lovako sy Raki-piainana ihany koa na ny mpianatra na ny mpampianatra. Momba ny boky Lovako manokana, dia fitaovana manampy ny mpianatra izy io amin’ny famenoana ny lesona banga, ary ho fandrantoana hevitra isan-karazany. Fitaovam-pianarana ho an’ny mpianatra izany ny Lovako , no sady fitaovam-piasana ho an’ny mpampianatra ihany koa. Toy izao no voalaza ao amin’ny sasin-teny izay manamafy ny voambara : « natao ho an’ny mpianatra ity boky ity […]. Natao ho an’ny mpampianatra koa ho toy ny tahirin- kevitra ka hananany avy hatrany lahatsoratra maro azo isafidianana hotrandrahina, sy lohahevitra betsaka azo fakafakaina »62 .

61 Jocelyne GLASSON sy Jacqueline THEORIAULT, Apprentissage et enseignement de la lecture , 1980, tak 80 « Présentation d’un modèle psycholinguistique ».

62 LALA-RAKOTOSON RAOLISOA Julienne Agnès, Lovako T12 . « Sasin-teny », Editions Ambozontany Analamahitsy Antananarivo, 2003, tak 3. 116

d) Ny fomba fitrandrahana lahatsoratra na boky

Misy dingana fito arahina amin’ny famakafakana lahatsoratra : - Fizarana lahatsoratra ho an’ny mpianatra - Vakiteny ataon’ny mpampianatra amin’ny « tenin’ny tanana » - Vakiteny mangina ataon’ny mpianatra - Fanazavana ny lahatsoratra isam-pizarana ataon’ny mpampianatra - Famintinana izay hevitra azon’ny mpianatra - Fanazavana ny voambolana sarotra ary ny fehezanteny tsy mazava - Famakafakana ny lahatsoratra

Toy izao indray ny dingana amin’ny famakiana boky : - Amin’ny boky Lovako , dia aorian’ny fahavitan’ny lesona no asaina mamaky azy ny mpianatra. Manao tatitra izay zavatra voarainy izy, ary manontany raha misy tsy mazava.

- Ho an’ny boky fampianarana indray, dia misy fiomanana roa ny famakiana azy: ny fiomanana lavitra ezaka, ary ny fiomanana fohy ezaka. Amin’ny fiomanana lavitra ezaka, dia omena ny mpianatra hovakina ny boky alohan’ny fialan-tsasatra lehibe. Asaina mandray an-tsoratra ireo zavatra ilaina, toy ny isan’ny takila, ny mpandray anjara, ny hevitra raketin’ny boky ny mpianatra mandritra ny famakiana. Asaina mamintina izay voalaza isan-takila ihany koa izy mba hahamora ny fahazoana. Amin’ny fiomanana fohy ezaka kosa, dia alohan’ny fotoana hanatanterahana ny vaky boky ao an-dakilasy no asaina mamerina mamaky ny boky ny mpianatra mba hamerina ny fitadidiny. Rehefa tonga ny fotoana, asaina adikan’ny mpianatra izay voarainy isam-pizarana. Tsarain’ny mpampianatra izany, ary avy amin’ny alalan’io no manazava sy manitsy ary mameno ny banga ny mpampianatra. Tsapa ho manampy ny mpianatra tokoa ny mpampianatra amin’ny fampiasana ny lahatsoratra sy ny boky, eny fa na dia mandany fotoana kokoa aza ny fomba fitrandrahana izany eo amin’ny mpianatra marenina. Ankoatra ireo fitaovana izay iarahan’ny mpianatra sy ny mpampianatra ireo, dia manana fitaovana manokana ny mpianatra ho fanampiana azy amin’ny fitadidiana. Tsy inona izany fa 117

ny takelaka. Manana takelaka tsirairay izay ahitana ny fintin-desona ny mpianatra. Ireto avy ohatra ireo lesona soratana amin’ny takelaka : - fafana maneho ny fintina sy ny fampitahana ny vanim-potoana - fafana maneho ny fintina momba ny lohahevitra - dingana arahina amin’ny fanatanterahana ny asa izarana Aorian’ny fahavitan’ny lesona no andrafetan’ny mpianatra ny takelaka. Tsarain’ny mpampianatra ireny avy eo, ary apetraka any amin’ny efitrano misy ny mpianatra tsirairay ; misy ihany koa ny takelaka hoentina ao an-dakilasy. Natao izany mba hamelona ny fitadidian’ny mpianatra. I BINET mantsy dia nanambara fa « raha hampitadidy zavatra ny ankizy, dia ilay izy mihitsy aseho azy fa aza mianina amin’ny filazana ny anarany, satria ny zavatra hitany sy tsapany dia mora tadidiny kokoa noho izay notenenina fotsiny, indrindra raha mbola zaza izy »63 . Voalaza ihany koa fa arakaraka ny maha lehibe dia mitombo ny fanadinoana 64 . Noho izany, manampy betsaka ny mpianatra marenina ny takelaka amin’ny fianarany. Fehiny : Araka izany, mba hampahomby ny fampianarana, dia miezaka hatrany mpampianatra ao amin’ny sekoly Akanin’ny Marenina hampiasa fitaovana hafa ankoatra ny teny hoenti- mampianatra. Miainga amin’ny zavatra azo tsapain-tanana ny fampianarany mba hahazoany mikirakira izay fitaovana eo am-pelatanany. Azo zaraina roa io fitaovana io : ny fitaovana iombonana toy ny solaitrabe, ny lahatsoratra, ny boky ary ny fitaovan-tsamirery toy ny takelaka izay natao ho an’ny mpianatra tsirairay. Iaingana amin’ny lesona ary anombanana ny mpianatra ireny fitaovana ireny.

2.3.3 Ireo fomba fiasa ataon’ny mpampianatra amin’ny fampitana ny lesona

Lafin-javatra telo no mifandray ao anatin’ny fampianarana : ny mpampianatra, ny mpianatra ary ny fahalalana. Miankina amin’izay lafy omen-danja amin’ireo ny fizotra sy ny vokatry ny fampianarana eo amin’ny mpianatra. Mialoha ny hijerena ny fomba fampianatra ao amin’ny sekoly Akanin’ny Marenina, dia hazavaina fohy aloha ny antsoina hoe telolafin’ny

63 UNICEF, Formation psychopédagogique , Tana, 1954, tak 57 : « si l’on veut graver un souvenir dans l’esprit de l’enfant, il vaut mieux montrer l’objet, plutôt que de se servir du nom, car l’enfant est plus sensoriel que verbal, surtout quand il est jeune ». 64 Ibid tak 54 : « l’oubli est moins rapide à l’école primaire, plus rapide à l’école secondaire, et plus encore à l’université ». 118

haifampianarana izay enti-maneho ny fifandraisany misy eo amin’ireo toko telon’ny fampitam-pahalalana.

2.3.3.1 Ny telolafin’ny haifampianarana

Fahalalana

Mpampianatra Mpianatra

Kisary 3 : Telolafin’ny haifampianarana

Araka ny hita eo amin’ny kisary, dia misy fifandraisana telo faritan’ny lafin’ny telolafy. • Fifandraisana mpampianatra-fahalalana Ny mpampianatra dia manana ny fahalalana ampitaina. Andraikiny ny mamboatra izany mba ho sahaza ny mpianatra. Tsy maintsy manao fantina ny mpampianatra amin’izany mba hahazoana fahalalana tsotra, fohy, mazava, ary mora raisin’ny mpianatra.

• Fifandraisana mpampianatra-mpianatra Amin’ity dia ny fitadiavan’ny mpampianatra ireo tetika sy paika amin’ny fampianarana hoenti-mampita ny fahalalana efa voasivana ho an’ny mpianatra no tiana hambara.

• Fifandraisana mpianatra-fahalalana Ny mpampianatra no mampita ny fahalalana, ary anjaran’ny mpianatra no mikaroka ny paikady amin’ny fampianarany ny tenany.

119

Ny telolafin’i LEGENDRE 65 dia maneho ny fomba fiasa pedagôjika izay mampifandray ny mpampianatra, ny fahalalana, ny mpianatra. Ambarany ihany koa fa arakaraka izay eo amin’ny tendrony ambony no paika itondrana ny fampianarana.

Mpampianatra Mpianatra

1 2

Taranja Mpianatra Taranja Mpampianatra

T1 T2

Fomba fiasa manome Fomba fiasa manome lanja ny mpampianatra lanja ny mpianatra

taranja

3

Mpampianatra Mpianatra T3

Fomba fiasa manome lanja ny taranja

Kisary 4 : Ny telolafin’i LEGENDRE

Toy izao ny fanazavana ny kisary. • T1 : Fomba fiasa manome lanja ny mpampianatra

65 MIHAMITSY C, Lesona « la méthodologie », taona fahaefatra. 120

Amin’ity fomba fiasa ity, dia fampianarana tolotra no atao. Manome ny lesona rehetra ho an’ny mpianatra ny mpampianatra, eny fa na dia misy aza ny fametrahana fanontaniana ataon’ny mpianatra.

• T2 : Fomba fiasa manome lanja ny mpianatra Ity fomba fiasa ity dia mijery manokana ny mpianatra. Ny mpianatra indray no mitady izay fomba hanorenany ny fahalalany, fa ny maha mpanoro hevitra no anjaran’ny mpampianatra.

• T3 : Fomba fiasa manome lanja ny taranja Eto amin’ity fomba fiasa ity, dia ny taranja no mibahan-toerana kokoa eo amin’ny fampianarana, izany hoe ataon’ny mpampianatra izay ananan’ny mpianatra fahalalana betsaka, ary amin’ny fomba rehetra izay azo ampiasaina.

Fehiny : Araka ireo fanazavana ireo, dia mifamatotra ny mpampianatra, ny mpianatra ary ny fahalalana ao anatin’ny fampitam-pahalalana. Teo aloha, ny fomba fiasa manome lanja ny mpampianatra no nampiharina. Antsoina koa hoe : fampianarana tranainy izany. Ankehitriny, voizina ny fampiharana ny fomba fiasa manome lanja ny mpianatra araka ny tenin’i Piaget manao hoe : ny mpianatra no tokony hanorina ny fahalalany. Tsapa mantsy fa tsy dia mitondra fivelarana ho an’ny mpianatra ny fampianarana tolotra. Ahoana kosa àry ny fomba fiasa ao amin’ny sekoly Akanin’ny Marenina ?

2.3.3.2 Ny fomba fiasa ao amin’ny sekoly Akanin’ny Marenina

Efa novelabelarana tao amin’ny fizarana 2.2.2.3 ireo dingana arahina amin’ny fanatanterahana ny lesona ho an’ny mpianatra marenina, izany hoe ny fifandraisana mpampianatra-fahalalana araka ny telolafin’ny haifampianarana. Naseho tamin’izay ny fanaovana ny fantina, ny fandrindrana ary ny tombana eo amin’ny fahalalana atolotra ny mpianatra. Eo amin’ny fifandraisana mpianatra-fahalalana, dia nambara koa fa mampiasa takelaka ny mpianatra mba hanampy azy amin’ny fanorenana ny fahalalana. Teboka mbola tsy noresahina ny momba ny fifandraisana eo amin’ny mpampianatra sy ny mpianatra, izany hoe ny fomba fiasa pedagôjika amin’ny fampitana ny lesona ho an’ny mpianatra marenina. Fomba fiasa telo no notanterahin’ny mpampianatra araka ny nahitanay 121

azy : fomba fiasa manome lanja ny mpampianatra, fomba fiasa manome lanja ny mpianatra, fomba fiasa amin’ny alalan’ny fanomezan-danja ny famerenana.

a) Fomba fiasa manome lanja ny mpampianatra

Araka ny efa voalaza tao amin’ny fanazavana momba ny fomba fiasa manome lanja ny mpampianatra dia fampianarana taloha io. Zava-dehibe eo amin’ny mpianatra marenina io fampianarana io, satria fomba fitarihana azy tsikelikely ho amin’ny fahazoana ny lesona atao. Vokatry ny fifaneraseran’ny mpianatra marenina amin’ny tontolon’ny mandre mantsy, dia maro ireo lafin-javatra izay tsy mbola azony an-tsaina, tsy hitany ary tsy iainany. Noho izany, amin’ny alalan’ny fampianarana tolotra no iezahan’ny mpampianatra manazava ny lesona, ary anomezana ireo fahalalana rehetra tokony ho fantatry ny mpianatra. Ankoatra izay, anisan’ny fametrahana hevitra vaovao ao an-tsain’ny mpianatra momba ny zavatra tsy fantany io fomba fiasa io, ary anjarany ny manatevina ary mikaroka amin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana sy ny vaky boky. Amin’ny fanomezana lesona mivantana no tena isehoan’ny fampianarana tolotra.

b) Fomba fiasa manome lanja ny mpianatra

Tsy tolotra avokoa akory ny fampianarana ao amin’ny sekoly Akanin’ny Marenina, fa mampihatra ny fomba fiasa manome lanja ny mpianatra koa ny mpampianatra. Mifantoka amin’ny fampandraisana anjara ny mpianatra izany. Mikendry ny fampivelarana ara-tsaina, ary manefy ny maha izy azy ny mpianatra ny fanatanterahana azy. Amin’ny alalan’ny asa izarana toy ny famelabelarana, ny tatitra, ny adihevitra no isehoan’ny fampandraisana anjara ny mpianatra araka ny efa voalaza tao amin’ny fizarana 2.2.3.3. Na dia eo aza ny fahasamihafan’ny marenina amin’ny tsy marenina, dia rariny raha omena lanja izy eo amin’ny fampianarana mba hitoviany amin’ny olon-drehetra. I Claudine LELEUX dia manambara fa « ny fampianarana ho olom-banona dia fampianaran’ny mpianatra hiaro ny maha izy azy, nefa mahay manaja ny hafa 66 ; mampianatra miady hevitra 67 ary mampianatra sy manomana ny mpianatra ho tompon’andraikitra 68 ».

66 Claudine LELEUX, op cit 129, tak.34 « Apprendre et exercer sa citoyenneté, c’est apprendre à défendre les valeurs auxquelles on est attaché tout en respectant le pluralisme des valeurs » 67 Ibid, tak 42 « Eduquer à la citoyenneté c’est aussi, apprendre à discuter » 68 Ibid, tak 27 « une éducation à la citoyenneté devrait préparer l’apprenant à pouvoir en être auteur » 122

d) Fomba fiasa manome lanja ny famerenana

Amin’ny fampianarana ny mpianatra marenina dia zava-dehibe ny famerenana. Io mantsy no fitaovana manampy ny mpianatra amin’ny fitadidiana, ary manaitaitra ny sainy mba hahatsiaro ny lesona efa vita. Araka ny fanazavana nomen’ny mpampianatra, tsapa ho mora manadino ny mpianatra marenina, ary fotoana maharitra vao miverina ny fitadidiany vokatry ny tsy fahatomombanana eo aminy. Noho izany, ilaina ny famerimberenana ireo zavatra efa vita rehefa misy ny fotoana, mba hampitamberina ny fahatsiarovan’ny mpianatra. Manamafy izany koa ny hevitry ny UNICEF, tamin’ny fanomezana toromarika ho amin’ny fampianarana : « ny famerenana no mampitombo ny fahazoana. Izany no ilazana fa ivon’ny fampianarana ny famerimberenana »69 .

Fehiny : Araka izany, mampihatra ny telolafin’i LEGENDRE ihany koa ny mpampianatra ny taranja Malagasy eo amin’ny sekoly Akanin’ny Marenina amin’ny fomba fampitana ny lesona, saingy, tsy mampiasa ny fomba fiasa fanomezan-danja ny fahalalana izay hita ao amin’ny telolafy T3.

Raha fintinina izay voalaza rehetra momba ny fitondran-tsekoly sy ny fampianarana ao amin’ny Sekoly Akanin’ny Marenina izay, dia tsapa ho tsy mitandro hasasarana ny tompon’andraikitra sy ny mpanabe rehetra ao amin’ny sekoly amin’ny fanabeazana ny mpianatra marenina. Milofo fatratra amin’ny fitadiavana ny fomba rehetra mba hanomezana ny tsara indrindra ho an’ny mpianatra. Natao izany mba hahatonga ny mpianatra ho olom- banona sady hanatraran’izy ireo ny tanjona ho amin’ny fahaleovan-tenany amin’ny ho avin’ny fiainany mba tsy ho enta-mavesatra eo amin’ny fianakaviany sy ny fiarahamonina ary ny firenena izy ireo.

69 UNICEF, op cit p132, tak 54 : « l’acquisition est grandement favorisée par la répétition. C’est pourquoi on a affirmé que la répétition est l’âme de l’enseignement » 123

3 FIZARANA FAHATELO :

Ireo lafin-javatra nampahomby na tsia ny fampianarana taranja malagasy ao amin’ny sekoly AKA.MA, ary ny soso-kevitra ho fanatsarana izany

124

Novelabelarina tao amin’ny fizarana faharoa ny manodidina ny fampianarana taranja malagasy ao amin’ny sekoly Akanin’ny Marenina. Tamin’izany no nanomezana ireo dingana samihafa narahin’ny mpampianatra tamin’ny fanatontosana ny fampianarana. Tsy feno anefa ity asa fikarohana ity raha toa ka mijanona fotsiny amin’ny fanadihadiana. Tokony hisy fanombanana ny ezaka vitan’ny mpampianatra sy ny mpianatra tao an-tsekoly, mba hahafahana mandroso soso-kevitra hoenti-manatsara azy. Araka izany, ato amin’ny fizarana fahatelo no hanehoana ireo hevi-dehibe heverina fa nahatonga ny vokatra azon’ny sekoly ho tsara. Horesahina ao koa ny lesoka niteraka tsy fahombiazana teo amin’ny fampitam- pahalalana. Ary ho famaranana azy, dia hisy soso-kevitra harosonay am-panetren-tena ho fanatsarana ny fampianarana ny taranja Malagasy ao amin’ny sekoly.

3.1 IREO LAFIN-JAVATRA HITA HO MAMPAHOMBY NY FAMPIANARANA NY TARANJA MALAGASY AO AMIN’NY SEKOLY AKANIN’NY MARENINA

Antokon’olona telo no mandray anjara amin’ny fampandehanana ny fiainan-tsekoly : ny mpampianatra, ny mpianatra ary ny mpandraharaha. Koa raha misy ny vokatra tsara eo amin’ny fampianarana ny taranja iray, dia ny ezaka nataon’ireo antokon’olona ireo no nahatonga izany. Araka izany, hojerena tsirairay ireo antony telo no heverinay fa niteraka ny fahombiazana teo amin’ny fampianarana ny taranja Malagasy : ny antony avy amin’ny mpampianatra, ny antony avy amin’ny mpianatra, ny fiaraha-mientan’ny tompon’andraikitra rehetra ao amin’ny sekoly.

3.1.1 Ny antony avy amin’ny mpampianatra

Anisan’ny manana anjara asa lehibe ny mpampianatra ao amin’ny sekoly Akanin’ny Marenina. Akaiky kokoa ny mpianatra izy, ary azo lazaina hery mitarika ny mpianatra ho any amin’ny fahombiazana. Antony efatra avy amin’ny mpampianatra no hitanay fa mampahomby ny fampianarana : ny fiofanana azony, ny fanaovany fitsinjarana asa, ny fampiasany fitaovana, ny fikirizany.

125

3.1.1.1 Ny fiofanana mitohy azony

Manampy be dia be ny mpampianatra amin’ny asany ny fiofanana mitohy azony. Toy ny zava-dehetra dia fehezin’ny lalànan’ny fivoarana ny asa fampianarana, ka voatery hampitombo hatrany ny fahalalany sy hanatsara ny fahaiza-manaony ny mpampianatra, raha te hahita fahombiazana. Eto amin’ny sekoly Akanin’ny Marenina, dia miofana ny mpampianatra amin’ny herinandro voalohany alohan’ny fidiran’ny taom-pianarana vaovao. Ny Talen-tsekoly, izay nanovo fahalalana tao amin’ny « Ecole Normale Supérieure » Sampana Teny Malagasy, no mitarika ny fiofanana. Mandritra izany ny tsirairay no mizara ny traikefa ananany amin’ny hafa. Eo koa no sehatra ifanampiana amin’ny famahana ireo olana hita teo amin’ny fomba fampianarana. Ankoatra izay, raha misy misionera sy ny tompon’andraikitra amin’ny fampianarana ny marenina avy amin’ny firenen-kafa mandalo eto Madagasikara, dia miofana mandritra ny fotoana tsy voafetra ihany koa ny mpampianatra. Manampy tokoa ny mpampianatra ireny fiofanana ireny, satria manovona hatrany ny fahalalana sy traikefa ananany. I Gerard DE VECCHI sy Michelle RONDEAU-REVELLE dia nanambara fa « raha te ho mpampianatra, dia mianatra mahafantatra ny hafa, ary mampianatra ny tenanao ihany koa »70 . Noho izany, zava-dehibe ho an’ny mpampianatra ny fiofanana, ary antoky ny fahombiazana izany.

3.1.1.2 Ny fanaovany fitsinjarana asa matotra

Asa iray tsy maintsy ataon’ny mpampianatra mialoha ny fitsinjarana asa. Iankinan’ny fizotran’ny fampianarana sy ny mety ho fahombiazany ny fahaizana mitsinjara asa. Asa manahirana izy satria lafin-javatra maro no tsy maintsy fehezina : ny halavan’ny taom- pianarana, ny fifampiankinan’ny lohahevitra samihafa, ny fotoana lanin’ny lohahevitra tsirairay araka ny fahasarotany, ny karazan-tombana tokony hatao. Misy ambaratonga vitsy ny fanatanterahana azy. Raha vao manomboka ny taom-pianarana, dia fitsinjarana asa ankapobeny mandritra ny taona no ataon’ny mpampianatra : mamaritra ny laharam-pisehoan’ny lohahevitra tsirairay, satria misy lohahevitra tsy maintsy alefa alohan’ny hafa, mba hampisosa araka ny tokony ho izy ny fampianarana.

70 Gérard DE VECCHI & Michelle-RONDEAU-REVELLE, op cit p109, tak 57 : « pour devenir un enseignant, il faut commencer par bien se connaître et se construire soi-même ». 126

Aorian’izay, dia manao fitsinjarana asa isaky ny telovolana indray ny mpampianatra araka izay heveriny fa sahaza ny mpianany : fitsinjarana fotoana ho amin’ny lohahevitra tsirairay indray no ataony amin’izany. Misy tokoa mantsy ny lohahevitra mety ho mora ho an’ny mpianatra ny mandray azy, ary misy kosa ireo mety hanahirana azy. Koa, tsy maintsy andaniana fotoana betsaka ireto farany mba tsy ho fahaizana manjavozavo ihany no ho ao an- tsainy, fa ho fahaizana tena miraikitra tanteraka. Rehefa azon’ny mpianatra tsara mantsy ny lesona dia ho mora ho azy ny hampihatra izany any amin’ny tombana.

Manatanteraka fitsinjarana asa tokoa ny mpampianatra taranja malagasy ao amin’ny sekoly Akanin’ny Marenina araka ny voalaza ao amin’ny zana-pizarana 2.2.2.2. Ao amin’io fitsinjarana asa io, dia misy filaharany ireo zana-taranja na lohahevitra samihafa natolotra ao. • kilasy taona voalohany : Izao no fisesiny : ny riba, ny literatiora, ary ny asa izarana. Natao izany mba hahamora ny fahaizan’ny mpianatra marenina ny lesona, ary mba hanampy azy amin’ny fitadidiana. Araka ny efa voalaza mantsy, mora manadino ny mpianatra marenina. Noho izany, mba hitohizan’ny fitadidiany amin’ny lesona isan-taranja, dia misafidy ny tsy hanapaka ny zana-taranja ny mpampianatra, izany hoe vitaina daholo ny lohahevitra momba ny riba, izay vao miditra amin’ny lohahevitra momba ny riba, izay vao miditra amin’ny lohahevitra momba ny literatiora, ary farany, ny firosoana amin’ny asa izarana. • kilasy famaranana : Mifanohitra amin’ny fomba fiasa ao amin’ny kilasy voalohany ny fitsinjarana asa ao amin’ny kilasy famaranana. Mielanelana ny fampianarana ny zana-taranja, izany hoe, ahitana ny zana-taranja riba, literatiora, ary asa izarana hatrany ny telovolana iray. Ho fanazaran-tsaina ny mpianatra sahady ho amin’ny fiatrehana ny fanadinana no anton’izany fanelanelanana izany araka ny fanazavana nomen’ny mpampianatra. Izany hoe manampy ny mpianatra amin’ny fanavahana ao an-tsainy ny hevitra ambara arakaraka ny zana-taranja ianarana. Ao amin’ny kilasy famarana, ohatra, dia izao ny fitsinjarana asa telovolana faharoa : - Literatiora : Ny tantaran’ny literatiora - Asa izarana : Ny fanaovana tatitra - Literatiora : Ny mpanoratra - Asa izarana : Ny fibangoana lahatsoratra 127

- Riba : Ny anjara, lahatra, vintana Ilaina dia ilaina tokoa, araka ny hevitry ny mpampianatra, ny manao ity fitsinjarana asa ity mba ho fanatsarana ny fampianarana.

3.1.1.3 Ny fampiasany fitaovana

Singa manan-danja amin’ny fampianarana ny marenina ny fitaovana. Toa hanidintsindina sy hanjavozavo ho an’ny mpianatra marenina tokoa mantsy ny fampianarana raha tsy misy fitaovana ifaharany, indrindra fa latsaka isa ny taovam-pandrenesany. Miainga amin’ireny lahatsoratra na boky ireny ny lesona. Ao ihany koa no ikarohan’ny mpianatra ny fahalalana tiana hananany. ireo ihany no ataony porofon-kevitra amin’ny asany. Isaky ny seho, ohatra, dia miezaka manome lahatsoratra telo ny mpampianatra : • Kilasy voalohany : ireto ny lahatsoratra nampiasaina raha nampianatra ny vanim- potoana « Mitady ny very » izy : - Tononkalo : « Manerika maraina » Josefa RAJAONAH - Tononkalo : « Vavaka ho an’ny mpandalo », Ny ERIKA (RAHAROLAHY) - Lahatsoratra : « Kilalao mahatsiravina », RABENJAMINA • Kilasy famaranana : lahatsoratra telo manampy ny mpianatra amin’ny fahazoana ny lohahevitra « ny marina, ny rariny, ny hitsiny » ao amin’ny zana-taranja riba - Lahatsoratra : « Manam-pitiavana ny marina ny olombelona », Joseph ANDRIANAIVORAVELONA - Tononkalo : « Ny rariny ve ? », RAHELISON Berchman - Lahatsoratra : « Sady ara-piarahamonina no araka ny lalàna », TSELATRA Nitondra fahombiazana teo amin’ny fampianarana izany, satria hitan’ny mason’ny mpianatra ny porofo, fa tsy resaka fotsiny, ary dia mora ho azy koa ny mitadidy izany. Miteraka fahombiazana eo amin’ny fampianarana, araka izany, ny fampiasana fitaovana.

3.1.1.4 Ny fikirizan’ny mpampianatra

Zava-dehibe eo amin’ny fampianarana ny fikirizan’ny mpampianatra. Ny fikirizana moa dia ny fananana toetra tsy mba mety kivy, fa mikely aina hatrany amin’izay rehetra atao mba hahatrarana ny tanjona. Hita taratra izany fikirizana izany tao amin’ny sekoly Akanin’ny Marenina tamin’ny alalan’ny fampitany lesona ary ny fanaovany tombana. 128

Teo amin’ny tombana, ohatra, isaky ny mahavita seho iray ny mpampianatra, dia manombana intelo ny mpianatra amin’ny fanomezana enti-mody. Tsy manao fanitsiana avy hatrany izy raha tsy efa voatsara avokoa ny an’ny mpianatra tsirairay. Tsy indray mandeha ihany ny fitsarany ny tombana, fa mandra-pahatongan’ny fanomezan’ny mpianatra ny valiny araka izay andrasany. Aorian’izay vao tanterahina ny fanitsiana faobe ho an’ny mpianatra rehetra. Tsapa, araka izany, fa manampy ny mpianatra tokoa ny mpampianatra, ary tsy mamela azy ireo ho irery. Miezaka izy manatratra ny tanjona rehetra amin’ny fanaovana lesona. Araka ny voalazan’ny tompon’andraikitra, dia tratra amin’ny ampahany ny tanjona, satria hita amin’ny fahaiza-manao sy ny toetra amam-pihetsiky ny mpianatra ny fampiharan’izy ireo ny toromarika nomena. Ireo rehetra ireo moa dia mitodika avokoa any amin’ny tanjona lehibe dia ny hahatonga ny mpianatra hahaleo tena ary hanana ny maha izy azy. Tsy antony avy amin’ny mpampianatra ihany no heverinay fa mampahomby ny fampianarana tao amin’ny sekoly Akanin’ny Marenina, fa ao dia ao tokoa ny antony avy amin’ny mpianatra.

3.1.2 Antony avy amin’ny mpianatra

Tsara homarihina fa na toa inona na toy inona ezaka ataon’ny mpampianatra, rehefa tsy manam-piniavana hivoatra ny mpianatra, dia aim-bery foana ireny. Ireto lafin-javatra telo avy amin’ny mpianatra ireto no heverinay fa nampahomby ny fampianarana atao aminy : ny fiheverany ny fianarana, ny fandraisana anjara ao an-dakilasy, ny fifandraisany amin’ny mpampianatra.

3.1.2.1 Ny fiheverany ny fianarana

Latsa-paka ao amin’ny mpianatra marenina ny fanomezan-danja ny fianarana, satria tsapany fa lalana iray ahafahany mihoatra ny sakana ateraky ny tsy fahatomombanany ara-batana ny fananana fahaizana amam-pahalalana. Afaka miahy ny tenany sy miatrika ny ho aviny izy rehefa tafita amin’ny fianarana, hany ka miezaka fatratra izy ireo ary tsy avelany hanelingelina azy ny vesatry ny kilema ananany. Hita, ohatra, ny fananan’ireo mpianatra toe- tsaina be fikirizana mba hahazoany mari-pahaizana ara-panjakana na dia misy aza amin’izy ireo indimy manala fanadinana vao afaka.

3.1.2.2 Ny fandraisany anjara ao an-dakilasy

Ny tanjon’ny pedagôjia ezahina ampiharina ankehitriny dia ny fampandraisana anjara ny mpianatra amin’ny fanovozam-pahalalana. Amin’ny alalan’ny famelabelarana ny asan- 129

tsokajy na ny asan’ny tsirairay no anatanterahan’ny mpampianatra izany. Tsy olona toloram- potsiny intsony ny mpianatra, fa tena mandray andraikitra amin’ny fandrafetana ny ho aviny. Sady mampanan-karena ny fifanakalozana ny fandraisany anjara amin’izay atao ao an- dakilasy no mampitombo ny fahalianany amin’ny fianarana ary indrindra indrindra mampivelatra ny sainy. Tamin’ny fotoana nanaovana ny atrikasa, ohatra, ny famelabelaran-kevitra momba ny mpanoratra iray no nasain’ny mpampianatra notanterahin’ny mpianatra. Nanome torolalana sy ny boky hovakina ny mpampianatra. An-tsokajy no nanaovana ny asa, ary ny mpianatra ihany no nifandamina tamin’izay ho fandraisana anjara ataony. Tamin’ny fotoana nanaovana ny famelabelarana, dia nanazava ny asany tamin’ny « Tenin’ny Tanana » ny mpianatra. Rehefa vita ny famelabelarana, dia nitsara ary nanitsy ny mpampianatra : ny fihetsika takina eo am-panaovana ny famelabelarana, ny tokony hosoratana eny amin’ny solaitrabe, ny fandaminana ny fandraisam-pitenenana, ny fanitsiana ny votoatin’ny asa, sns…Dia nasainy namerina ny famelabelarana ny mpianatra ary nampiharina ny fanitsiana nomena. Taorian’izay, nanontany ny mpampianatra raha mazava amin’ny mpianatra ny famelabelarana natao. Araka ny fanamarihana nataon’ny mpampianatra, dia mandany fotoana tokoa ny fampandraisana anjara ny mpianatra, saingy tsy azo atao ambanin-javatra izany satria manampy ny fahombiazany ny fandraisany anjara ao an-dakilasy.

3.1.2.3 Ny fifandraisany amin’ny mpampianatra

Zava-dehibe ho an’ireo mpianatra marenina ny fifandraisany amin’ny mpampianatra. Tsy mampita fahalalana fotsiny ny mpampianatra ao amin’ny sekoly Akanin’ny Marenina, fa toy ny naman’ny mpianatra mihitsy. Hita tao amin’ny fizarana voalohany mantsy fa kilasimandry ny ankamaroan’ny mpianatra. Noho izany, lasa solon-dray aman-dreny na zoky ny mpampianatra, ka itantarany ny fiainany, ametrahany fanontaniana amin’izay zavatra hafa manitikitika azy, izarany ny fihetseham-pony. Izay fisokafany amin’ny mpampianatra izay no dingana voalohany amin’ny fidirana amin’ny tontolon’ny olona tomombana ara-batana. Raha ny tsapanay nandritra ny fitsidihana nataonay, dia niharihary tokoa ny hatsaran’ny fifandraisan’ireo mpianatra amin’ny mpampianatra azy : tsy fisian’ny tahotra misangy amin’ny mpampianatra rehefa eny an-tokotany, ny famihinany azy eo am-pahitana azy, sns… Araka izany, antoka iray ho amin’ny fahombiazan’ny mpianatra marenina tokoa ny fahatsapanany ny fanomezan’ny mpampianatra lanja azy. 130

Tsy avy amin’ny mpampianatra na ny mpianatra fotsiny ihany koa no mampahomby ny fampianarana ao amin’ny sekoly Akanin’ny Marenina fa eo indrindra koa ny fiaraha- mientan’ny tompon’andraikitra rehetra ao amin’ny sekoly.

3.1.3 Ny fiaraha-mientan’ny tompon’andraikitra ao amin’ny sekoly

Asa vadi-drano, tsy vita raha tsy ifanakonana ny asa fampianarana. Tsy maintsy miara-miasa ny tompon’andraikitra rehetra raha tiana hahomby ny fampianarana. Tsapa tokoa izany fiaraha-mientana izany. Teo ohatra, ny fandrafetana ny rakibolana momba ny « Tenin’ny Tanana » izay vahaolana tsara tokoa ampiasaina, na eo amin’ny sehatry ny fampianarana, na eo amin’ny serasera andavanandro. Anisan’ny namolavola io rakibolana io ny Federasiona ho an’ny Marenina, ny tompon’andraikitra ao amin’ny sekoly Akanin’ny Marenina rehetra isa-paritany, ny mpampianatra, ary ny mpianatra. Miisa telo arivo eo ho eo ny voambolana voarakitra ao, ary manaraka ny filaharan’ny alfabeta ny fisesiny. Tsy ny voambolana ihany anefa no voasoratra ao, fa naseho an-tsary ihany koa ny sarin’olona sy ny fomba fihetsiky ny tanana, ary ny fanazavana ny fiavian’ny teny izay manome ny « Tenin’ny Tanana ». Efa-taona eo ho eo no namolavolana sy nandrafetana ity rakibolana amin’ny « Tenin’ny Tanana » ity. Araka ny nambaran’ny tompon’andraikitra, dia miandry ny fotoana hamoahana ny rakibolana izy ireo, satria efa vita avokoa ny zavatra rehetra.

Fehiny : Hita tamin’ny fanadihadiana teo fa raha nahomby ny fampianarana tao amin’ny sekoly Akanin’ny Marenina, dia samy nanana ny anjarany tamin’izany ny hery velona tao : ny mpampianatra nahay nampita ny fahalalana, ny mpianatra nahay nandray sy nampamokatra izay natolotra azy, ary ny tompon’andraikitra eo amin’ny fandraharahana tsy nikely soroka tamin’ny fanatsarana ny seha-pampianarana. Samy niezaka hanatratra ny tanjona napetraka izy ireo, na ny tanjona voasoritra amin’ny fandaharam-pianarana izany, na ny tanjona narafitra eo anivon’ny sekoly. Na eo aza izany ezaka izany, nisy ihany ny lesoka avoitran’ny tsy fahafahan’ny mpianatra any amin’ny fanadinana ara-panjakana. Ireo indray no ifotorana ao amin’ny toko manaraka.

131

3.2 IREO LESOKA HEVERINAY FA MISAKANA NY TSY FAHAZOANA NY FAHOMBIAZANA TANTERAKA AMIN’NY FAMPIANARANA IREO MARENINA

Na dia eo tokoa aza ireo antony mitondra ho amin’ny fahombiazana voalaza tetsy ambony, hita soritra teny ho eny ihany ny indro kely izay tsy mahafeno tanteraka ny fahombiazan’ny fampianarana. Azo aravona ho telo ny loharano niteraka izany : ao ny olana avy amin’ny fandaharam-pianarana, ny olana avy amin’ny mpampianatra ary ny olana avy amin’ny mpianatra.

3.2.1 Olana avy amin’ny fandaharam-pianarana

Naseho nandritra ny fanadihadiana, fa ny fandaharam-pianaran’ny tomady ara-batana ihany no ampiharin’ny sekoly Akanin’ny Marenina. Araka ny fanamarihan’ny mpampianatra anefa dia lava sy sarotra ho an’ny mpianatra marenina io. Araka ny efa voalaza moa, mila famerimberenana ny fampianarana ny marenina. Noho izany, betsaka ny fotoana lany. Vokatr’io, tsy ho voazava amin’ny antsipiriany ny lesona sasantsasany. Ireo hevi-dehibe ihany no voatery dinihina. Tsy dia misy ny fotoana anitarana ny lesona. Ny hany imasoana dia ny fanaovana tombana, satria rehefa miatrika fanadinana ny mpianatra, dia ny fahaiza-manaony no tsaraina. Na dia eo aza izany olana izany, dia tsy afa-miala amin’io fandaharam-pianarana io ny sekoly. Io mantsy no itovian’ny mpianatra marenina amin’ny hafa rehetra, ary ahazoany ny mari- pahaizana avy amin’ny Fanjakana. Koa dia miezaka ny mpampianatra ao mitady fomba fiasa vaovao mba tsy dia hampavesatra loatra ny fampianarana ataony. Eo amin’ny kilasy famaranana, ohatra, tsapa ho mavesatra ho an’ny mpianatra marenina ireo lohahevitra ianarana satria zavatra tsy hitan’ny maso ny momba ny rafi-pisainana. Koa ho fanampiana ny mpianatra, dia omena azy ireo ao amin’ny kilasy voalohany ireo lesona heverina fa sarotra ny mandray azy, toy ny finoana ny tsiny sy ny tody, ny anjara, ny lahatra, ny tendry, ny vintana. Rehefa mby ao amin’ny kilasy famaranana amin’izay izy ireo, dia ezahina ho betsaka ny fanaovana tombana mba hahazoany hevitra samihafa. Araka izany, na dia sarotra sy mavesatra ho an’ny mpianatra marenina aza ny fandaharam- pianarana, dia tsy kivy akory ireo mpampianatra fa mitady izay fomba hanatanterahany azy ihany. Ankoatra ny fandaharam-pianarana, dia misy olana ihany koa eo amin’ny mpampianatra

132

3.2.2 Olana eo amin’ny mpampianatra

Kitro ifaharan’ny fampianarana ny mpampianatra. Misy akony mivantana any amin’ny vokatry ny asany ny olana diaviny amin’ny fanatanterahana azy. Lafin-javatra telo no hitanay fa manahirana ny mpampianatra ato amin’ny sekoly Akanin’ny Marenina : ny tsy fahampian’ny tahirin-kevitra eny am-pelatanany, ny tsy fanovaovana ny paika enti- mampianatra, ny havitsian’ny mpampianatra isan-taranja.

3.2.2.1 Ny tsy fahampian’ny tahirin-kevitra

Manana ny boky fampianarana sy ny boky Lovako ny mpampianatra enti-manomana sy manatontosa ny lesona sy ny asa izaran’ny mpianatra. Voafetra ihany anefa ny fahalalana azo tovozina ao, ka tsy maintsy hatevenina sy velarina amin’ny sehatra samihafa. Eo indrindra no ilana tahirin-kevitra hafa toy ny boky aman-gazety. Araka ny filazan’ny mpampianatra, dia tsy ampy ny tahirin-kevitra ampiasainy amin’ny fanatontosana ny fampianarana. Izay fahalalana azony nandritra ny fianarany na ny fiofananay ihany amin’ny ankapobeny no nambarany fa entiny manatontosa ny lesona. Misy ihany ireo boky azony vakina, saingy tsy mazava aminy. Ohatra, tokony hanazava ny orim- bintana izy rehefa manao ny lesona momba « ny vintana », saingy, tsy azony ny tiana hambara. Noho izay tsy fahampian’ny tahirin-kevitra izay, dia misy banga ny votoatin’ny lesona natolony ny mpianatra.

3.2.2.2 Ny havitsiany

Amin’ny maha olombelona azy dia voafetra ihany ny asa mety ho vitan’ny mpampianatra. Izany, ohatra, no nameran’ny Fanjakana ho 20 ora ny faharetan’ny asa any an-tsekoly ao anatin’ny herinandro ho an’ny mpampianatra iray ao amin’ny ambaratonga faharoa. Raha mihoatra an’io fetra io ny fotoam-piasany dia misy akony any amin’ny toe-pahasalamany na any amin’ny hatsaran’ny vokatra. Voalaza tany aloha tany fa mitazona ny kilasy fahenina ka hatrany amin’ny kilasy famaranana ny mpampianatra iray isan-taranja ao amin’ny sekoly Akanin’ny Marenina. Mavesatra loatra ho an’ny mpampianatra izany, na dia eo amin’ny ora fampianarana fotsiny aza : raha ora 4 isan-kerinandro ny an’ny kilasy iray, dia 28 ora izany no lany amin’ny kilasy fito. Ankoatra izay, tsy ho tomombana araka ny tokony ho izy velively ny fanomanana lesona sy fanazaran- tsaina ho an’ny ambaratonga fito, raha olona iray no hisahana azy. Mety ho antony mahatonga azy tsy hanovaova ny fomba fampianatra izany. 133

Ankoatra izay, toa tsy mampivelatra ny mpianatra ny tsy fiovaovan’ny mpampianatra satria hevitra sy fomba fiasa olon-tokana no omena azy sy hitany mandritra ny taona maromaro.

3.2.2.3 Ny tsy fanovaovana ny paika enti-mampianatra

Tamin’ireo fanadihadiana natao, ary indrindra tamin’ireo fanatrehana mivantana ny fampianarana no nahatsapana fa anisan’ny lesoka eo amin’ny fomba fampianatry ny mpampianatra ny tsy mba fanovaovany ny paika enti-mampianatra. Miainga amin’ny lahatsoratra hatrany mazàna ny fitrandrahana ny votoatin-desona. Marina fa mora kokoa ho an’ny mpianatra marenina ny mahazo hevitra avy amin’izany, saingy toa tsy liana izy ireo raha toy izany foana ny fampianarana mandritra ny taona. Ny tompon’andraikitry ny sekoly moa dia nanambara fa mandeha am-pahazarana fotsiny ny mpampianatra ao amin’ny sekoly Akanin’ny Marenina. Ekena fa mavesatra amin’ny mpampianatra ny asany araka ny voalaza eo ambony, nefa tokony hanova ny paika enti-mampianatra ihany izy indraindray, mba tsy hahamonaina ny mpianatra.

Toy izany raha tsorina ny antony avy amin’ny mpampianatra, miteraka tsy fahombiazana. Fa inona kosa ny olana avy amin’ny mpianatra ?

3.2.3 Ny olana avy amin’ny mpianatra

Antony telo no heverinay fa sakana ho amin’ny fahombiazana eo amin’ny mpianatra : ny vokatry ny tsy fahatomombanany ara-batana, ny noho ny toetra amam-pihetsiny, ny tsy fitiavana vaky boky.

3.2.3.1 Vokatry ny tsy fahatomombanany ara-batana

Ny fandaharam-pianarana nofaritan’ny Fanjakana dia natao ho an’ny ankizy tomombana ara- batana, na ny isan’ny lohahevitra ianarana, na ny fatran’ny fahalanana takina aminy. Izany hoe, mety ho sahirana amin’ny fanarahana azy ny olona manan-kilema toy ny marenina, satria misy akony eo amin’ny fandraisany ny fahalalana aroso ho azy ny tsy fahatomombanany ara- batana. Voalohany, tany an-tsekoly izy vao « nianatra niteny ». Misy fiantraikany eo amin’ny fianarany izany, toy ny fahavotsan’ny sainy eo amin’ny fandraisana ny hevitra ampitaina aminy, ny filany fotoana maharitra mba hahatakarana izay tiana hambara aminy. Miampy izany, malady very tadidy izy. Vokatr’izany, tojo tsy fahombiazana izy, ka tsy maintsy 134

mamerin-taona. Araka ny fanazavana nomen’ny mpampianatra, dia toy izao matetika ny lalana lalovan’ny mpianatra ao amin’ny kilasy famaranana : - ny taom-pianarana voalohany no anorenan’ny mpianatra ny fahalalana omena azy. - ny taom-pianarana faharoa no anamasahany ny fahalalana azony. - amin’ny taom-pianarana fahatelo vao azony tsara ny fahalalana natolotra azy. Izany no mahatonga ny famerenan-taona farafahakeliny intelo ao amin’ny kilasy famaranana. Ankoatra izay, miteraka ny tsy fahombiazana eo amin’ny mpianatra ihany koa ny toetra amam-pihetsiny.

3.2.3.2 Ny toetra amam-pihetsiny

Ny mpianatra ao amin’ny kilasy voalohany sy ny kilasy famaranana, araka ny efa voalaza, dia manana salan-taona fito ambin’ny folo ka hatramin’ny efatra amby roapolo taona, izany hoe, ao anatin’ny fe-potoana ialana sakana : tsy zaza intsony, nefa koa tsy azo lazaina ho lehibe sy ampy fahamatorana. Araka ny filazan’ireo manam-pahaizana mikasika ny olombelona, dia manana toetra sahisahy sy tia andrankandrana ary tsy azo tenenina ny mpianatra ao anatin’io sokajin-taona io. Miantraika amin’ny fianarany izany toetra izany, ary mazàna miteraka tsy fahombiazana eo amin’ny fianarany : tsy tafita any aminy ireo toromarika natao hanampy azy. Etsy ankilan’ireo voalaza ireo ny tsy fitiavany mamaky boky.

3.2.3.3 Ny tsy fitiavany mamaky boky

Tena antoka iray mitarika ho amin’ny fahombiazana eo amin’ny mpianatra marenina ny vaky boky. Araka ny voalazan’ny mpampianatra, anefa toa tsy mahaliana ny ankamaroan’ny mpianatra izy io. Antony roa no heverina fa mahatonga izany : andaniny, mandany fotoana ny famakiana boky ; ankilany, tsy azony izay lazain’ny boky. Vokatry ny tsy fahatomombanany ara-batana, dia mitavozavoza eo amin’ny fanaovan-javatra ny mpianatra marenina hany ka mety handany fotoana lava ny fanatanterahana azy. Anisan’ny hetsika manahirana azy, ohatra, ny famakiana boky. Koa satria voafetra ihany ny fahafaha- mampifantoka ny saina ao, dia tsy mahaliana azy ny vaky boky. Mba nisy ihany ny mpianatra manam-paharetana, saingy rehefa tsy azony ny tian’ny boky hambara, mihena ny risi-pony ary avelany eo ny boky.

Fehiny : Na eo aza ireo lesoka tsy mitondra ho amin’ny fahombiazana tanteraka ireo, dia tsapa fa tsy mitarain-tana-miempaka akory ireo tompon’andraikitra ao amin’ny sekoly 135

Akanin’ny Marenina. Mitady vahaolana mandrakariva izy ireo ho fanatsarana hatrany ny fampianarana ao aminy. Koa, ho fanampiana azy ireo, dia heverinay fa mety ny manolotra soso-kevitra vitsivitsy. Mety tsy hahavaha tanteraka ny olana izy ireny, nefa kosa azo anarenana ny lesoka sasantsasany.

3.3 SOSO-KEVITRA HO FANATSARANA NY FAMPIANARANA AO AMIN’NY SEKOLIN’NY MARENINA

Manoloana ireo voalaza teo aloha ireo, dia mahatsiaro ho manana adidy ny tenanay izay misafidy ny hirotsaka eo amin’ny sehatry ny fampianarana sy fanabeazana amin’ny fanolorana soso-kevitra hoenti-manatsara ny zava-misy ao amin’ny sekoly Akanin’ny Marenina. Andraikitry ny olom-pirenena rehetra rahateo ny fanabeazana. Tsy hihambo hahavaha ny olana nasongadina teo izahay. Mety ho ampahany amin’ny olana ihany no ho voavaha. Na izany aza, heverinay fa mba manana ny anjara asany ihany ny soso-kevitra atolotray. Sokajin’olona roa no hiantefan’ny tolo-kevitra : ny mpampianatra sy ny mpianatra.

3.3.1 Tolo-kevitra ho an’ny mpampianatra

Ny andraikitry ny mpampianatra dia ny mamolaka ny taranja sy ny fahalalany, ary mifantina izay fantany fa sahaza ny mpianatra. Azo ambara fa ny mpampianatra dia mpitarika fotsiny ihany mandritra ny fampianarana, mpanentana sy mpampiaina ny fotoana. Mitaky fanomanan-tena maty paika ho an’ny mpampianatra izany, toy ny fitaizan-tena sy saina tokony hatao amin’ny maha mpanabe, ny fanarahana ny fivoarana eo amin’ny fomba fampianatra, ny fampiharana ireo zava-dehibe takin’ny fampianarana, ary ny fanaovana tombana. Araka izany, ny mpampianatra dia tokony ho havanana eo amin’ny asany. Mba hahatongavana amin’izany, dia misy toetra vitsivitsy tokony hananan’ny mpampianatra ireto.

3.3.1.1 Ireo toetra tokony hananan’ny mpampianatra amin’ny maha mpampianatra azy

I G. Carlier sy i J.P. Renard ary i Paquay 71 dia namaritra ny toetra tokony hananan’ny mpampianatra mba hahamatihanina azy eo amin’ny asany. Toy izao no namahavahany izany :

71 Lesona « Didactique de la matière » nomen-dRamatoa RATIARAY Suzette 136

a) mpampianatra mivelatra Ny mpampianatra mivelatra dia izay mikolo ny tenany eo amin’ireo lafiny maha olona manontolo. Manao izay hampivoarany ny fifandraisana amin’ny hafa, ny fahalalany, ny fifampikasohany amin’ny sehatra sy lohahevitra maro, ary mikendry hatrany izay hivelarana misimisy kokoa amin’izay atao rehetra. Raha ny mpampianatra mantsy no mahay mampivelatra ny tenany, dia azo antoka, fa ho mpianatra mivelatra ireo mandray fahalalana avy aminy.

b) mpampianatra olon’ny fiarahamonina Mba hahatomombana ny asa fampianarana, ny mpampianatra dia tokony ho olon’ny fiarahamonina, ary manatanteraka asa eo anivon’ny fiarahamonina misy azy. Mampiroborobo ny serasera sy ny fifanakalozana traikefa ny fisokafana amin’ny sehatra maro toy izany sady mampivoatra ny fahalalana, manabe voho ny hevitra, ary mampanankarena ny teny izay hampitana ny fampianarana.

d) mpampianatra manam-pahalalana Tsy tokony hionona amin’ny zavatra tsy miova ny olona iray, fa mikaroka hatrany ny zava- baovao miseho. Izany hoe tokony hanana toe-tsaina tia fivoarana ny mpampianatra mba hampisy fivoarana ny fahalalana omeny.

e) mpampianatra manana fahaiza-manao Ny mpampianatra dia tokony ho lohalaharana amin’ny fananana fahaiza-manao, satria tsy ny fahalalana ihany no rantovin’ny ankizy any an-tsekoly, fa indrindra ny fahaiza-manao, mba hahafahany mampiasa ny fahalalana azony eo amin’ny fiainany andavanandro.

f) mpampianatra manana paikady Ilain’ny mpampianatra hanatsarana ny asany koa ny paikady madinidinika entina mampita fampianarana. Tokony hialana ireo fahazarana eo amin’ny fomba fampianatra, fa mikaroka paika vaovao hatrany sy manintona ny mpianatra ny mpampianatra. Azo atao, ohatra ny manangona ireny toe-javatra madinidinika mitranga eny amin’ny manodidina ireny ho fitaovam-pampianarana sy ny fanabezana, toy ny fampiasana zaza tsy ampy taona, ny fanolanana, sns…

137

g) mpampianatra mahay manombana ny tenany Ny mpampianatra dia tokony ho sahy hitsikera ny tenany sy ny fomba fiasany. Hanao toy ny olona mijery fitaratra izy, ka manombana ny mety sy ny tsy mety eo aminy. Rehefa vita izany, dia vahavahana amin’ny antsipiriany ireo fomba fiasa notombanana mba hahafahana mamolaka ny fitaovana ampiasaina hampitana lesona, sy ilay fahalalana mihitsy. Izay mety hohatsaraina hatrany, ary izay tsy mety kosa, ikarohana ny fomba rehetra hanatsarana azy.

Araka izany, tena ilain’ny mpampianatra tokoa ny fitaizan-tsaina ho amin’ny fivelarana mba ho tonga havanana amin’ny asa fampianarana sahaniny izy. Tsy ampy hampahomby tanteraka ny fampianarana anefa raha ireo toetra ireo fotsiny. Ilaina ny hananan’ny mpampianatra tekinika voalanjalanja sy voasaina ary mifanaraka eo amin’ny zana-taranja tsirairay avy.

3.3.1.2 Ireo tekinika azo ampiharina amin’ny fampianarana ny riba sy ny literatiora

Ny fahaizana amam-pahalalana azon’ny mpianatra any an-tsekoly dia manamarika ny fiainany. Noho izany, ny fahalalana omena azy dia tokony hifanandrify amin’izay zava-misy iainany. Koa adidin’ny mpampianatra ny mandinika akaiky ny tontolo misy ny ampianariny, ny misafidy ny tahirin-kevitra mifanaraka amin’izany fa tsy mionona amin’izay efa eo am- pelatanana fotsiny, ny mitrandraka izay azo ampiasaina. Izany no mahatonga ny mpandinika hilaza fa « tsy kisendrasendra no isafidianana ny karazan-tahirin-kevitra »72 . Ataony ihany koa izay hahatonga ny mpianatra ho « mpandray anjara amin’ny fampianarana », atao izay « ifandraisan’ny fampianarana amin’ny fiainany andavanandro »73 . Na dia marenina aza ny mpianatra, dia zon’izy ireo ny hahafantatra ny zavatra rehetra mba hitoviany amin’ny besinimaro. Koa ireto misy tekinika vitsivitsy ho amin’izany araka ny zana-taranja misy.

a) Tekinika ho fanatsarana ny fampianarana ny zana-taranja riba

Raha atao indray mitopy maso izao tontolo izao, dia heverina fa toko iray ihany, nefa rehefa tomorina, dia hita fa tsy navelan’ny fomba amam-panao samihafa hanam-pitoviana.

72 M. SYLVIE & Van TURENHOCEDT, Gérer une pédagogie différenciée , De Boeck Weswalle.Bruxelle, 1988, tak 52 : « Ce n’est pas au hasard que l’on choisit tel type de document ». 73 Ibid : « pour faire connaître l’esprit du cours, il faut (…) apprendre aux élèves à devenir acteurs de leur formation, insérer l’apprentissage d’un cours dans la vie quotidienne » 138

Anisan’ny mampiavaka ao anatin’izany ny riba. Reharehan’ny firenena tsirairay ny fananana azy satria maneho ny maha izy azy. Izany no nahatonga an’i Louis Paul RANDRIAMAROLAZA hilaza hoe : « matoa tsy rava ny fampianarana taranja malagasy hatramin’izao dia ny fampianarana riba no anisan’ny nanohana azy mafy tao »74 . Noho izany, ny fomba hampitana sy ny fomba hampitiavana ny mpianatra ity fampianarana riba ity no tokony hanaovan’ny mpanabe ezaka. Santionany vitsivitsy amin’ny tolo-kevitra no haroso : ny fampiasana sary na horonon-tsary, ny fanatrehana toe-javatra mivantana, ny fampitahana ny riba malagasy sy ny riba any amin’ny firenen-kafa, ny fampiasana lahatsoratra an-gazety.

• Ny fampiasana sary na horonan-tsary Anisan’ny fomba iray tsara ary mora iaingana amin’ny lesona omena ny mpianatra ny fampiasana sary na horonan-tsary mirakitra sy maneho izay votoatin-kevitra hampitaina. Manamora ny fandraisana sy ny fitadidiana eo amin’ireo mpianatra izany, satria toy ny manatri-maso mihitsy izy eo am-pijerena ilay sary na horonan-tsary, ary izany dia mahatonga azy hiaina sy hahafantatra ary hatrany izay zavatra hitan’ny masony. Koa ho an’ny riba, dia ilaina ny sary na horonan-tsary handraketana azy ireny. Tombontsoa lehibe ho an’ny mpianatra izany, satria mora kokoa ny mitadidy sy mandray ny lesona rehefa manatrika ilay zavatra ampianarina ny maso araka ny voalazan’ny mpandinika hoe : « ny sary no tsaratsara kokoa noho ny fitenenana lava »75 . Marihina fa misy tekinika ny famakiana sary, tekinika izay tokony ho hain’ny mpampianatra ary hambarany amin’ny mpianatra. Ireto ny sasantsasany amin’izany : - miainga eo afovoan’ny sary, satria eo no iantefan’ny maso voalohany - avy eo, dia atao manaraka ny fihodinan’ny famantaranandro ny maso (havia, ambony- havanana, ambany) - azo atao koa ny miainga amin’ny fisehon’izay tian’ny sary hasongadina : ny habe, ny halava, ny halavirana sns… - mety koa ny manaraka izay tondro omen’ny mpanao na mpifidy ilay sary.

74 Resadresaka nifanaovana tamin’Atoa RANDRIAMAROLAZA Louis Paul, 29 Janoary 2003, Tsimbazaza Antananarivo, 2003 75 TRUCHASSON (E) in Revue de pédagogie de l’enseignement supérieur , volume 08, N°02, 1998, tak 461 : « un bon dessin vaut mieux qu’un long discours ». 139

Koa raha hanao lesona momba ny Fandrosoana, lesona tafiditra ao amin’ny fandaharam- pianaran’ny kilasy Faharoa amin’izao fotoana izao, ohatra, dia azo iaingana ny sary maneho fitafy na taovolo taloha sy ankehitriny. Ireto misy sary azo iaingana miaraka amin’ny takela- panomanan-desona mifandray aminy.

140

141

TAKELA-PANOMANAM-DESONA Daty : Kilasy Faharoa Taranja : Malagasy Zana-taranja : Riba Lohateny : Ny Fandrosoana Faharetany : ora 2 Tanjona : - Ara-pahalalana : mpianatra mahalala mazava ny atao hoe : « fandrosoana » - ara-pahaiza-manao : mpianatra mahay mamaky na mampiteny sary - ara-toetra amam-pihetsika : mpianatra tia manome aina ny sary Fitaovana : sary maneho fitafy sy taovolo taloha sy ankehitriny Fanamarihana : efa nomena toromarika amin’ny fomba famakiana sary ny mpianatra

DINGANA FIZOTRAN’NY LESONA FANAMARIHANA Tari-dresaka Lohahevitra roa no dinihina ato amin’ny kilasy faharoa : « Fandrosoana » sy ny « Fahafahana ». Anio isika dia handinika ny Fandrosoana Lesona vaovao Mizara sary ny mpampianatra : sary 1 : sary maneho ny taovolo sy fitafy taloha sary 2 : sary maneho fitafy sy taovolo ankehitriny

Fanakaran- F : Inona no hitanareo eo amin’ny sary ? kevitra V : - sary maneho ny taovolo taloha sy ny taovolo ankehitriny - sary maneho ny fitafy taloha sy ankehitriny F : manao ahoana ny endriky ny taovolo taloha ? V : doko, randrana F : Ahoana kosa no fahitana ny fitafy taloha ? V : mitohy tena, malalaka ny an’ny vehivavy, 142

salaka sy lamba ny fitafin-dehilahy F : Mbola misy olona ve amin’izao vaninandro iainantsika izao manao ny taovolo sy fitafy taloha ? V : Mbola misy, saingy amin’ny ankapobeny ireo taovolo, ireo fitafy nentin’ny vahiny no betsaka mampihatra. F : Manao ahoana ary ny fahitantsika ny fiovan’endrika eo amin’izany fomba fitafy sy taovolo izany ? V : Tsara, satria mahay mandrindra ny zavatra tena malagasy amin’ny zavatra vahiny.

Fandravonana Fandrosoana : fialana amin’ny an’ny izay hita fa tsy mahasoa, ary fandraisana izay heverina ho tsara avy amin’ny hafa.

Tombana F : Tsara ve ny Fandrosoana araka ny Omena fotoana fohy ny fahitanareo azy ? mpianatra handinihany V : Tsara, raha mahafehy ireo hita tao anaty an’izany famaritana ireo, fa ratsy kosa raha tsy mihevitra ny an’ny tena, fa ny an’ny hafa ihany no heverina ho fandrosoana F : Manomeza ohatra amin’ny toe-java-misy teo aloha nefa mivoatra ankehitriny V : Fitaterana : filanjana fiarakodia trano fonenana : ritso-peta trano maoderina

• ny fanatrehana toe-javatra mivantana Fomba tsy dia fahita loatra any amin’ny sekoly Ambaratonga Faharoa dingana faharoa ny fiatrehan’ny mpianatra mivantana ny toe-javatra eny amin’ny sehatry ny fiarahamonina. Anisan’ny manampy ny mpianatra sy ny mpampianatra anefa ity fomba fiasa ity noho ireto antony roa ireto : andaniny, rehefa manao asa izarana momba ny famintinana ny mpianatra, 143

dia tokony hotarihana amin’ny fahaiza-mamintina ny toe-javatra iainany aloha, izay vao mikisaka mankamin’ny lahatsoratra. Ankilany, mety ho fitaovana iaingana amin’ny fitondrana lesona ny fanatrehana toe-javatra mivantana. Mba hanohanana izany, indro takela-panomanan-desona iray mikasika ny lohahevitra « ny marina », miainga amin’ny fanatrehana ny fizotry ny raharaham-pitsarana iray teo an-toerana.

TAKELA-PANOMANAN-DESONA Daty : Kilasy Voalohany Taranja : Malagasy Zana-taranja : Riba Lohateny : Ny marina Faharetany : ora 2 Tanjona : - ara-pahalalana : mpianatra mahafantatra ny tena hevitry ny hoe : « marina » - ara-pahaiza-manao : mpianatra afaka manakatra hevitra miainga amin’ny fanatrehana seho-piainana iray. - ara-toetra amam-pihetsika : mpianatra tia mandinika sy manadihady ary mitsikera ny fiainam-piarahamonina. Fitaovana : fanatrehana fitsarana Fanamarihana : efa nanatrika fitsarana sady nandray an-tsoratra ny fizotran’izany ny mpianatra.

DINGANA FIZOTRAN’NY LESONA FANAMARIHANA Fampidirana • Ny zava-misy iainantsika dia azo isintonana lesona hampirindra ny fiarahamonina. Iray amin’izany iny fitsarana natrehana iny. Ny lohahevitra mikasika ny marina no nezahina notakarina tao. Andeha àry hirosoana izany. • Tatitra ataon’ny mpianatra ny amin’izay hitany : 144

 mizara sokajy ny mpianatra  asehony amin’ny alalan’ny sary ny fipetraky ny mpandray anjara ao amin’ny fitsarana (ny mpitsara, ny mpisolo vava, ny voampanga, ny mpampaka-teny…)  manazava ny fizotry ny fitsarana ny mpianatra : - mandray anjara fitenenana ny filohan’ny mpitarika, ary manambara ny anton’ny fitsarana - mamaky ny andinindininy mikasika ny lalàn’ny fitsarana ny tompon’andraikitra - mifandimby mandray fitenenana ireo mpisolo vavan’ny hotsaraina, miezaka manadio ny olona arovany - mamoaka ny didim-pitsarana araka izay mifanandrify amin’ny lalàna ny tompon’andraikitra.

Fanakaran- F : Inona no azo sintonina amin’izay tatitra kevitra izay ? V : Rehefa samy afa-po ny fiarovana ny andaniny sy ny ankilany, dia mamoaka valim- pitsarana mifanandrify amin’ny lalàna ny tompon’andraikitra F : Iza moa no manao io lalàna io ? V : ny fiarahamonina, ary eken’ny mpiray firenena F : Iza no hampiharana ilay lalàna ? V : Izay mandika izany F : Fa iza no diso araka ny fahitantsika azy teo ? 145

V : Izay tsy niharan’ny sazy F : Inona no azo sintonina momba ny marina araka izany ? V : Izay mifanaraka amin’ny lasitra soratana eny amin’ny niarahan’ny fiarahamonina nanaiky no solaitrabe marina. -ifanarahana izany ny atao hoe « marina » eto

Fanitarana Mbola azo atao ihany koa ny mijery ny hevitra mikasika ny marina amin’ny lafin- javatra hafa. ohatra : maka rano ary atao ao anaty lovia F : Manao ahoana ny fahitanareo io rano io ? V : mahitsy tsara, marina, tsy miolikolika F : Ahoana ihany koa izany no azo ilazana ny atao hoe marina ? V : mitovy tantana tsara, tsy misy avo sy iva soratana eny amin’ny fiverenana fototra ny marina solaitrabe

F : Iza no nanao ny masoandro miposaka ho antsika ? V : Andriamanitra F : Misy masoandro hafa ve miposaka any amin’ny firenena hafa ? V : Tsia, masoandro iray ihany ho an’izao tontolo izao. Na aiza na aiza, dia miposaka avy any atsinanana, ary milentika any andrefana ny masoandro. F : Inona no azo tsoahina amin’izany ? V : misy ny marina tsy iadian-kevitra intsony, soratana eny amin’ny eken’ny rehetra satria « voajanahary » solaitrabe Marina : marina tsy azo ovana, voajanahary

146

Manambatra kajy eny amin’ny solaitrabe ny mpampianatra 2+2=4 F : Marina io sa diso ? V : Marina F : Nahoana ? V : azo porofoina F : eto amintsika ihany ve io no marina ? V : Tsia, manerana izao tontolo izao F : Ahoana indray ny marina eto ? V : siantifika ny marina eto, satria voaporofo, soratana eny amin’ny tsy voafetran’ny toerana sy ny fotoana solaitrabe

Fandravonana F : Inona avy no azo tsoahana amin’izay hita rehetra izay ? Toy izao ny valin-teny andrasana 1. Famaritana ny marina raisina anaty kahie - Ny marina dia ilazana zavatra mitovy tantana, tsy misy avo sy iva, tsy mirona miankavia na miankavanana - ny marina dia izay ifanarahan’ny fiarahamonina, ifampifehezany 2. Ny karazany - ny marina ifanarahana. ohatra : lalàna - ny marina siantifika. ohatra : kajy - ny marina voajanahary. ohatra : ny fiposahana sy ny filentehan’ny masoandro

Tombana F : Mitondra fampandrosoana ho an’ny firenena ve ny fandalana ny marina ? V : Mitondra fampandrosoana ny fanadalana ny marina raha toa ka voahaja tsara sy 147

voarindra ilay tena marina araka ny nahitana azy teo. F : Inona no tian’ity oha-pitenenana ity ambara ? ohatra : « Ny marina toy ny vato ambalam- parihy, raha tsy hitan’ny angady raha lohataona, hitan’ny antsy raha fararano.

• fampitahana ny riba malagasy sy ny riha vahiny Aorian’ny fanadihadiana sy ny fandalinana niarahan’ny mpampianatra sy ny mpianatra nanatontosa, dia azo atao tsara ny manao fampitahana. Amin’ny fampianarana riba mantsy, ilaina ny mahafantatra ny kolontsain’ny tena sy ny an’ny hafa. Fa ny tiana hasongadina eto dia ny tombontsoa lehibe mety ho azo avy amin’ny fampitahana ny kolontsain’ny foko maro samihafa avy eto Madagasikara na avy amin’ny fampitahana ny kolontsaina malagasy sy ny kolontsaina vahiny. Ireto misy santionany : - ny fahafantaran’ny mpianatra hoe inona amin’ny kolontsainy no miparitaka any ivelany, ary inona amin’ny kolontsaina avy any ivelany no miditra ao amin’ny fiarahamonina misy azy. - ny fahatsapany ny elanelana : ahitany ny itoviany sy ny iavahany amin’ny hafa, no sady ahalalany tsara ny kolontsain’ny foko samihafa eto Madagasikara ary ny kolontsaina vahiny. - ny fahaizan’ny mpianatra mandanjalanja ny tokony hataony.

Mba hanehoana izany, ohatra iray momba ny fampifanatrehana ny kolontsaina malagasy « Ny Tsiny sy ny Tody » amin’ireo kolontsaina vahiny mitovy sokajy aminy no aroso eto toy ny « didy folo » sy ny « fitsipi-boninahitra ».

TAKELA-PANOMANAN-DESONA Daty : Kilasy Famaranana Taranja : MALAGASY Zana-taranja : Riba 148

Lohateny : Fampifanatrehana ny kolontsaina malagasy ny TSINY sy ny TODY amin’ireo kolontsaina vahiny mitovitovy lenta aminy : ny Didy folo sy ny fitsipi-boninahitra Faharetany : ora 2 Tanjona : - ara-pahalalana : mpianatra mahalala mazava ny atao hoe : Tsiny sy ny Tody ary afaka maneho izay mampitovy na tsy mampitovy an’ireo amin’ny kolontsaina hafa any ivelany - ara-pahaiza-manao : mpianatra mahay manadihady tsara ny lanjan’ny kolontsaina iray - ara-toetra amam-pihetsika : mpianatra tsy mihinana am-bolony manoloana ny kolontsaina iray Fitaovana ampiasaina : « Fanagasiana ny toe-tsaina sy ny fomba fisaina » Raha misy ray aman-dreny vao avy nandalotra ny rindrin-tranony ho fotsy madio tsara, ka miditra ny zanany avy nilalao fotaka tany an-tokotany, mitsipatsipaka eo am-pandriana milampy amin’io rindrina io, ary azy. na Sinoa ireo ray aman-dreny ireo, na Frantsay, na Anglisy, na Malagasy dia tsy ho faly ary tsy maintsy hikaro-kevitra hisakanana izany fomban-janany izany, saingy ny fomba hoentiny hanatanteraka ny tetiny no ho samy hafa. Angamba amin’ny firenena sasany, ho vitan’ny teny tsotra izany ; amin’ny hafa, mety hiaraka amin’ny tehamaina sy ny sinton-tsofina, fa tamin’ny Malagasy kosa dia noheveriny fa ny fampinoana ny ankizy ho « mahafaty ray aman-dreny » ny mandaka rindrina no mandaitra kokoa... Izany hoe : ny fisainana iraisam-pirenena dia ny hahafantarana fa tsy misy firenena afaka hivelona tsy manan-javatra hajaina su atahorana. Ary avy amin’io zavatra atahorana sy hajaina io no nahaterahan’ny Fitsipi-boninahitra (code de l’honneur) teo amin’ny tandrefana, ny Didy Folo teo amin’ny Jiosy ary ny Tsiny sy ny Tody teo amin’ny Malagasy. Arofanina avokoa ireny, dia arofanina mba tsy hianjerana amin’ny fanjakan’i Baroa. E.D. ANDRIAMALALA, Ny fanagasiana , tak 45-46

Fanamarihana : efa vita ny fandalinana ny momba ny tsiny sy ny tody

149

DINGANA FIZOTRAN’NY LESONA FANAMARIHANA

FAMERENANA F1 : Araka ny angon-kevitra sy ny fanadihadiana hitantsika nandritra ny lesona momba ny TSINY sy ny TODY, dia iza no afaka hampahatsiahy ny atao hoe : « TSINY » ?

F2 : Iza kosa no hampahatsiahy ny atao hoe : « Tody » ?

F3 : Inona no itoviany sy mampiavaka azy ireo ?

FAMPIDIRANA Anio isika dia hijery ny fampitahana ny tsiny sy LESONA VAOVAO ny tody amin’ny kolontsaina vahiny : Didy folo sy ny fitsipi-boninahitra

FIZARANA NY Zaraina ny ampahan-dahatsoratra izay nalaina LAHATSORATRA tao amin’ny boky « Ny Fanagasiana », Emilson Daniel ANDRIAMALALA, tak 45-46. « Raha misy ray aman-dreny…fanjakan’i Baroa » - vakiteny mangina - vakiteny ataon’ny mpampianatra - fanazavana isaky ny andininy (mpampianatra) and 1 : misy zanaka manao ny tsy mety ka na iza na iza ray aman-dreny mahita izany dia mitady fomba hananarana ny zanany. Arakaraka ny ray aman-dreny tsirairay ny vahaolana ampiasaina amin’izany. and 2 : efatra no karazan-pibedesana mety hitranga : - teny tsotra - tehamaina - sinton-tsofina - « fampinoana ny ankizy » fa misy hery ivelany manara-maso izay ataony and 3 : misy zavatra itovian’ny firenena rehetra. 150

Tsy inona izany fa ny fisian’ny zavatra hajaina sy atahorana : - ny fitsipi-boninahitra ho an’ny Tandrefana - ny Didy Folo ho an’ny Jiosy - ny Tsiny sy ny Tody ho an’ny Malagasy Tsoa-kevitra F : Ampitahao ireo telo ireo amin’ny alalan’ny fanaovana fafana V : • Ny itoviana : - samy manana zavatra hajaina sy atahorana - mitovy tanjona kendrena dia ny « mba tsy hianjerana amin’ny fanjakan’i Baroa » - samy miantoka ny fahaveloman’ny firenena • Ny tsy itoviana

Malagasy Tandrefana Jiosy

Tsiny sy Tody Fitsipi-boninahitra Didy Folo

Avy amin’ny hery tsy hita na Novolavolain’ Avy amin’

zava-boary na olombelona Andriamanitra olona na biby

Hery tsy hita Lalàna Lalàna

Mitaky finoana Mitaky finoana Mitaky fanarahan- sy fanarahana sy fanajana dalàna ny didy

Samy manana ny zavatra hajainy sy atahorany Fandravonana ny firenena tsirairay

151

• Ny fampiasana lahatsoratra an-gazety Nandritra ny fanaovana atrikasa dia nanamarika izahay, fa mividy gazety mpiseho isan-andro ny sekoly Akanin’ny Marenina, ary apetraka ao amin’ny trano famakiam-boky izany. Rehefa manana fotoana malalaka ny mpianatra, dia mamaky ireny gazety ireny. Araka izany, heverinay fa hahaliana ny mpianatra ny fampiasana lahatsoratra an-gazety satria ny gazety no mitantara ireo toe-javatra eo amin’ny tontolo misy azy. Inty misy ohatra notsoahana tao amin’ny gazety TARATRA, nivoaka ny alatsinainy 23 Novambra 2009, laharana faha 1745.

152

153

Asa atao • Vakina amin’ny mpianatra ny lahatsoratra • Mametraka fanontaniana amin’ny mpianatra ho famakafakana ny toe-javatra. Tiana havoitra eto ny hoe : ahoana ny hevitry ny mpianatra momba ity herisetra miharo habibiana ity ? • Miezaka mandalina ny mpianatra, mamantatra ny anton’ny herisetra mirongatra, mamahavaha ny endrika isehoany amin’izao vaninandro izao, milaza ny voka- dratsiny, ary mandray fepetra toy ny fitandremanana ny hasina maha olona ny olona.

Matetika mantsy ny mpianatra dia tsy mandray lesona ho an’ny fiainany raha tsy efa mby an- koditra ny toe-javatra. Noho izany, azo heverina fa hahasarika ny fifantohan’ny mpianatra tokoa ny fisintonana lesona avy amin’ny zava-misy izay miseho marina, toy ireny hita any anaty gazety ireny.

Fehiny : Tsy fandaniana andro akory ny fampianarana ny zana-taranja riba, ary tsy firesahana ny fomba amam-panaon’ny Ntaolo fotsiny, fa sady mampiorina amin’ny maha malagasy marina amin’ny fomba fijery malalaka, no mitarika ho amin’ny fampandrosoana ny olom- pirenena tsirairay. Izany moa dia hitera-boka-tsoa ho an’ny firenena. Noho izany, tokony hanana toe-tsaina tsy tefen’ny zavatra efa lasa foana ny mpanabe, fa hiezaka hanivana izay tsara tamin’izany mba hifanaraka amin’izay zava-misy amin’izao vaninandro izao ny fampianarana riba tsy ialàna tanteraka akory ny taloha, fa arindra kosa hifanaraka amin’ny ankehitriny

b) Ireo tekinika ho fanatsarana ny fampianarana ny zana-taranja literatiora Ny manavanana ny mpampianatra amin’ny fomba fampianarana literatiora, dia ny miainga amin’ny lahatsoratra. Tamin’ny fanadihadiana natao tamin’ny mpampianatra malagasy tao amin’ny sekoly Akanin’ny Marenina, dia nambarany fa « tolotra » no atao rehefa mampianatra ny literatiora, ary aorian’izay vao manazava ny lesona. Fampidirana ny mpianatra, mba hahafantatra amin’ny ampahany ny tiana hambara, hono, ny fanomezana lesona dieny mialoha. Rehefa izay, manazava ny lesona ny mpampianatra, ary mamaly ireo fanontaniana ataon’ny mpianatra. Araka ny filazany, raha mialoha ny fandikana mantsy ny fanazavana, dia toa tsy ho tafiditra ao amin’ny tontolon’ny lesona mihitsy ny mpianatra. 154

Kanefa heverinay fa tokony hikaroka tetika sy paika samihafa izy mba hahaliana ny mpianatra. Indreto misy vitsivitsy amin’izany : fampanaovana tsianjery, fampamoronana, fanasana vahiny, fampianarana miendri-dalao, fanatrehana fampirantiana.

• Fampanaovana tsianjery Tsapa ny tsy fahampian’ny fitadidiana ananan’ny mpianatra nandritra ny fanadihadiana natao, na ny tadidy araka asa izay ilaina ao amin’ny fotoana iasana izany, na ny tadidy maharitra itahirizana ny fahalalana efa nananana tany aloha. Anisan’ny fomba iray hahafahana manamafy sy mitaiza ny fitadidiana ny fampanaovana tsianjery, noho ny famerimberenana ao aminy, na dia tsy hahavaha ny ampahany betsaka eo amin’ny olana ara-pitadidiana aza izany. Ilaina ny tsianjery, mba hahazoana mitaiza sy manamafy ny fitadidian’ny mpianatra. Ohatra amin’izany ny fanaovana tsianjery : - tononkalo - tenina mpanoratra na mpandinika - sombin-dahateny na kabary, fomba fitenenana sy ohabolana Ampahafantarina ny mpianatra fa misy tanjona roa hotratrarina amin’izany fampanaovana tsianjery izany : andaniny, tsy tsianjery fotsiny no atao, fa tokony hahafehy ny lohahevitra izy, ary hahay hampiasa izany eo amin’ny asa an-tsoratra sy eo amin’ny sehom-piainana iainany ; ankilany, hahatonga azy ho resy lahatra, ka tsy hieritreretany fa natokana ho an’ny zaza madinika ihany ny tsianjery. Azo atao ny manadina amin’ny « Tenin’ny Tanana » na an-tsoratra ny ankizy tsirairay na ny mpiray tarika. Tsy ny fisosan’ny fahaiza-manonona fotsiny no tanjona, fa ny fahaizana maneho ny fihetseham-po raketin’ilay asa soratra atao tsianjery koa. Ohatra : “ Ry Madagasikarako ” ao amin’ny takila manaraka.

• Fampamoronana Efa voalaza teo amin’ny fizarana faharoa 2.1.3. fa ankoatra ny fianarana, dia mianatra zava- kanto toy ny dihy, ny asa tanana, ny mpianatra marenina. Natao izany mba hanampiana azy amin’ny fampiasana ny talenta ananany, sy hampivelarana ny toe-tsainy. Anisan’ny manamafy izany indrindra ity fampamoronana ity eo amin’ny sehatry ny literatiora. Raha ny marina, ny fandaharam-pianarana eo amin’ny literatiora dia tsy tokony hijanona fotsiny eo amin’ny fikendrena izay hahaizan’ny mpianatra manadihady ny mpanoratra sy ny asa soratra iray. Tokony hikendry indrindra izay hampivelarana ny fahaiza-mamorona eo 155

amin’ny mpianatra koa izy. Na dia marenina aza ny mpianatra, dia inoana fa mahaliana azy ny famoronana asa soratra. Ao anatin’ny fitrandrahana io fahaiza-mamorona io no hampivelarana ny hakingan-tsain’ny ankizy, satria tsy maintsy mampiasa ny sainy izy rehefa hanangana asa soratra iray. Fampivelarana ny faharanitan-tsainy, ohatra, ny fikarohana ny hevi-teny na voambolana azo ampiasaina ao anatin’ny asa soratra iray, ny fiezahana hahazo ny fomba na ny sehatra sy ny fotoana tokony hampiasana io voambolana na hevi-teny io. Mandranitra ny hakingan-tsain’ny mpianatra izany, ka mahatonga azy hanana saina mahay mandinika sy mikaroka ary mandrindra. I CUVILLIER dia milaza fa « ao anatin’ny hakingan-tsaina no misy ny fahaiza- mandrindra […], ary ny atao hoe : olona kinga saina dia izay olona manana fahazoana, ka afaka mandinika sy mieritreritra tsara ». 76 Mba hahatomombana kokoa ny fanehoan-kevitra sy ny fanehoam-pihetseham-po amin’ny fomba kanto anefa, dia tokony hahafehy ireo fepetra fototra takin’ny asa famoronana ny mpianatra. Hojerena manaraka kosa ny fomba hampiharana ity fampamoronana ity. Ny asa famoronana dia mety ho avy amin’ny talenta voajanahary eo amin’ny olona, na mety ho lova nolovana tamin’ireo ray aman-dreny na fianakaviana tany aloha na mbola velona. Tsy ampy izany, fa tokony hotovonana ny fianarana mamorona koa. Anisan’ireo nampianatra ny momba ny famoronana asa soratra, ohatra, i Charles RAJOELISOLO tao amin’ny « Tsipy hevitra ho an’izay te hanoratra » nosoratany tao amin’ny Gazety Sakaizan’ny tanora , Antananarivo, tamin’ny taona 1930. Araka ny fiheverany àry, dia misy dingana fototra tokony harahin’ny tsirairay raha te hanoratra izy. Indreto avy izany : - « ny fiomanana » : Mila miomana tahaka ny mpanao asa famoronana rehetra ny mpanoratra, raha te hanao asa soratra iray. Ao anatin’izany fiomanana izany no hifampivondronana ireo angom-pahalalana tokony hilaina amin’ny fanatontosana. Heverina sy dinihina tsara anefa izay hangonina, fa tsy tokony hoentanim-pihetseham-po na handeha araka izay tandrify ny saina fotsiny. Ilaina ny fampiasana ny « fo otronin’ny saina ». Ohatra : raha hanoratra momba ny fitiavan-tanindrazana ny mpanoratra iray, dia tsy maintsy mampivondrona ny angona rehetra tokony hilaina na hampiasaina amin’izany : voambolana, fomba fiteny, sns…

- « ny fanomanana izay holazaina » :

76 A CUVILLIER, Précis de philosophique , Editions ARMAND COLIN, Paris, 1961, tak 18-19 : « il y a donc dans l’intelligence une activité []. Etre intelligent, c’est d’abord comprendre [ ] » 156

Ilaina eto ny fahaizana mifantina izay tokony hampiasaina (teny, voambolana) ao anatin’ireo angona marobe efa navondrona, sy ny fahaiza-maneho ny kanto. Ohatra : fantenana ao anatin’ireo teny na voambolana marobe efa voaangona izay mifanaraka amin’ny sehatra sy ny fotoana tokony hampiasana azy, ary sahaza ny olona tiana hiantefan’ny hafatra. Noho izany, ny zavatra holazaina dia tokony ho fohy sady mazava no marina.

- « ny fandaharana izay holazaina » Tokony harindra ny zavatra voafantina, ary atao izay hampifandray azy amin’ny fomba kanto. Ny fananganana ny drafitra hitondrana ny asa no takina eto. Ohatra : raha ny momba ny fitiavan-tanindrazana no hosoratana, inona avy no zavatra tsy maintsy resahina ao anatin’ny andininy tsirairay mandrafitra ny asa ? Kendrena ny mba hifandraisan’ireny andininy ireny ao amin’ny asa soratra iray.

- « ny fanambarana ny hevitra » Atambatra na arafitra mba hanana endrika asa soratra izay teny na voambolana na fehezanteny rehetra efa voalahatra sy voafantina tao anatin’ny angona. Ohatra : mamorona tononkalo momba ny hakanton’i Madagasikara.

Araka izany, zava-dehibe tokoa ny fampamoronana asa soratra ny mpianatra. Sady fandranitan-tsaina io no fampirisihana ny mpianatra hikaroka voambolana na fomba fiteny hafa izay tsy mbola fampiasany.

• Fanasana vahiny Ny fanasana vahiny dia fiantsoana mpanoratra iray hiatrika mivantana ny mpianatra. Tsy voatery ho izay mpanoratra voafaritry ny fandaharam-pianarana ihany akory no azo antsoina, fa ny mpanoratra tsy ankanavaka raha toa hita fa kanto ny asany eo amin’ny sehatra samihafa, toy ny tononkalo, ny tantara foronina na sombin-tantara, ny tantara an-tsehatra, sns… Antony telo no anasana ny vahiny : - fifaneraseran’ny mpianatra mivantana amin’ny mpanoratra - fampitomboana ny fahalalan’ny mpianatra momba ny mpanoratra, ankoatra ny lesona. - fanaporofoana amin’ny mpianatra fa mitombina ny fampianarana omena azy. 157

Azo atao amin’ny fanombohana ny lesona, na amin’ny famintinan-desona any amin’ny seho farany momba ny mpanoratra, ny fanasana vahiny. Anisan’ny fomba fampianarana mahaliana ny mpianatra ny fanasana vahiny ao an-dakilasy. Fitondrana zava-baovao ho azy ireo izany, nefa koa fanatrehana zavatra hita maso izay mampivelatra ny sainy.

• Fampirantiana Fahita mazàna ny fampirantiana momba ny boky na ny mpanoratra. Noho izany, azo atao ny manentana ny mpianatra hanatrika azy ireny. Ohatra : fampirantiana momba ny mpanoratra Jean Joseph RABEARIVELO na Samuel RATANY. Na dia miavaka amin’ny besinimaro aza ny marenina, dia ilaina mihitsy ny fifaneraserany amin’ny hafa ho fampivelarana ny sainy, ary hahafantarany zavatra mbola tsy fantany. Fanatrarana ny tanjona efa napetraka ihany koa ny fampirantiana.

• Fampianarana miendri-dalao Alohan’ny hanomezana soso-kevitra momba ny fampianarana miendri-dalao, dia tsara raha ampahafantarina ireo tombontsoa azo avy amin’ny lalao.

 Ny tombontsoa azo avy amin’ny fampiharana ny lalao eo amin’ny fampianarana Araka ny fanadihadiana nataon’ny manam-pahaizana ara-tsaina, dia anisan’ny manefy ny ankizy ny lalao. Izany no nahatonga azy ireo hanome fanazavana momba ny lalao sy ny tombontsoa azo avy aminy. Lalan-tsaina enina no nambarany tamin’izany izay fototra iorenan’ny lalao : - « Théorie de l’atavisme » : I Stanley HALL no namorona azy io. Ikendrena ny fampitomboana ny maha olona ny ankizy ny fanatanterahana ny lalao araka ny heviny. - « Théorie de superflu d’énérgie » : I SCHILLER no nanolotra io fiheverana io, ary notohanan’i SPENCER, manam-pahaizana ara-tsaina. Manambara ity fiheverana ity fa mandany ny herin’ny ankizy ny lalao, ary nametra-panontaniana tamin’izany izy manao hoe : « nahoana no milalao ny ankizy na dia mandreraka aza izany? » - « Théorie de l’exercice préparatoire » : asongadin’ity fiheverana ity fa manomana ho amin’ny fiainana ny lalao. I Karl GROOS, manam-pahaizana alemana amin’ny saina no nanorina izany. 158

- « Théorie de l’exercice complémentaire ou de la compensation » : araka io fiheverana io, dia natao ho famenoana ny banga eo amin’ny olona ny lalao. I Kourad LANGE no nanome ny anarana hoe : « théorie de l’exercice complémentaire » I Claparède kosa no niantso azy hoe : « théorie de la compensation ». - « Théorie cathartique » : anjara asa roa no azo avy amin’ny lalao araka ity fiheverana ity : andaniny, manafaka ny tahotra amin’ny olona na ny ankizy amin’ny fiatrehana ny fiarahamonina ; ankilany, arofanina ho an’ny fiarahamonina mba tsy ho tonga amin’ny faharavana. - « le jeu comme phénomène de dérivation par fiction » : voalaza eto indray fa tsy ny fahatratrarana ny tanjona no zava-dehibe rehefa milalao, fa ny fomba fanatanterahana ilay lalao mba hahatongavana amin’ny tanjona izay napetraka. I CLAPAREDE, i PIAGET ary i BALDWIN no nandroso io fiheverana io 77 . Hevi-dehibe roa no azo amintinana ireo fiheverana ireo mba hahitana ireo tombontsoa azo avy amin’ny lalao. Voalohany, fampitomboana sy fampivelarana ny fahaiza-mitondra tena eo anivon’ny fiarahamonina ao amin’ny ankizy ny lalao. Tsy maintsy mifampikasoka amin’ny olon-kafa izy ao anatin’ny lalao ataony. Mila mahay mifanaraka sy mifandrindra amin’ireo karazan’olona miaraka aminy ireo izy, raha te hampahomby. Noho izany, azo lazaina fa mampitombo sy mampivelatra ny hery anaty manosika ny ankizy hahay hitondra tena ny fomba fampianarana ahitana fampiasana fitaovana, araka ny filazan’i BRONCKART STEINER, toy izay hita ao amin’ny fampianarana miendri-dalao. Tsy ny fahaizan’ny ankizy mifandray amin’ny hafa ihany aza no arindrany, fa ny fahaizany mifandray amin’ny tenany samirery koa. Miezaka mandanjalanja ny tokony hataony izy, mba hahafahany manatratra ny tanjona tiany hotratrarina ao anatin’ny fampiasana ilay fitaovana kirakirainy. Faharoa, mandranitra ny fahaizana mandinika sy manadihady ary misintona traikefa koa ny lalao, satria arakaraka ny hizaran’ny ankizy amin’ny fampiasana fitaovana, no hahatonga azy hahita paikady rehetra hampahomby ny lalao sy ny fandraisana fahalalana. Hita ao anatin’ny fampiasana fitaovana, araka izany, ireo fepetra ara-toetra amam-pihetsika tokony hananana eo amin’ny lafiny fahaizana mandinika, fahaizana manadihady, ary fahaizana misintona ny traikefa amin’izay zavatra atao. Manamafy izany ny fiheveran’i BRONCKART STEINER fa mampitombo ny faharanitan-tsaina sy ny risi-po koa ity tetika amam-paika ity.

77 UNICEF, opcit p 32, tak 33-37 : « le jeu : c’est une constatation fort ancienne que le jeu constitue l’activité éminemment caractéristique de l’enfance. C’est pourquoi plusieurs psychologues ont essayé de donner une explication du jeu et de sa fonction biologique et psychologique. Plusieurs théories ont été proposées dont voici les principales : théorie de l’atavisme, théorie du superflu d’énérgie, théorie de l’exercice préparatoire, théorie de l’exercice complémentaire, théorie cathartique et le jeu comme phénomène de dérivation par fiction » 159

Ankoatra ireo tombontsoa azo avy amin’ny lalao ireo, dia manampy amin’ny fitadidian’ny mpianatra koa ny lalao. Nohazavain’i J. TARDIF fa ny « lalao » dia heverina ho toy ny « fanaitra » manetsika ny vavahadin-tsain’ny mpianatra hitadidy ny hitan’ny masony sy ny kirakirain’ny tanany. Koa rehefa voarain’ny « vavahadin-tsaina » ny fampahalalana tokony horaisiny avy tao anatin’ilay lalao, dia avadiny ho any amin’ny « fitadidiana maharitra » izay tokony hotahirizina. Azo fohazina indray izany fampahalalana ao amin’ny « fitadidiana maharitra » izany amin’ny fotoana ilàna azy, ka haverina ao amin’ny « tadidy am- perin’asa », mba ho azo ampiasaina ao amin’ny asa tanterahina (fanontaniana/fanadinana am-bava na an-tsoratra, ohatra) indray. Azon’ny mpianatra ampiasaina eo no ho eo koa anefa ny fampahalalana voarainy avy tamin’ireo « vavahadin-tsainy », ka miasa avy hatrany ny « tadidy am-perin’asa » amin’izay fotoana izay. Noho izany, ny « valiny andrasana » amin’ny mpianatra avy amin’ny fampiasana ny fitaovana « fanaitra » ao amin’ny fampianarana miendri-dalao, dia ny fahaizany mampiasa ny sainy, hikirakira sy hitahiry ny fampahalalana eo anatrehany araka ity kisary momba ny fiasan’ny saina nataon’i J. TARDIF ity.

Mpandefa hafatra Valiny andrasana avy tamin’ny (ohatra : mpampianatra alalan’ny fiasan’ny saina/fitadidiana

Ny tontolo miseho amin’ny Tadidy maharitra, mandray endrika Fanaitra, ohatra ny fampahalalana tokony lalao hotahirizina

Vavahadin -tsaina mandray Tadidy am -perin’asa : mandray ny ny fampahalalana avy fampahalalana ilaina eo no ho eo amin’ny fanaitra

Kisary 5 : Ny fomba fiasan’ny saina/fitadidiana 78

Araka izany, anisan’ny mitana anjara toerana lehibe eo amin’ny fampivelarana ny mpianatra ny lalao. Ny fahatsapany izany no manosika anay hanolotra soso-kevitra ho fampiharana ny fampianarana miendri-dalao eo amin’ny literatiora. Inoana fa tsy ho sarotra ho an’ny

78 J.TARDIF, Pour un enseignement stratégique, Editions LOGIQUE, Collection théorie et Pratique dans l’enseignement, Canada, 1992 : « l’architecture de la mémoire » 160

mpianatra marenina ny fanatanterahana izany satria zavatra hitan’ny maso sy azon’ny tanana kirakiraina ny fitaovana ampiasaina.

 fampahafantarana ny lalao azo atao Karatra no fitaovana ampiasaina ao anatin’ity fampianarana miendri-dalao ity. Notrandrahina avy tamin’ny fialam-boly fanaon’ny ankizy sy mahafinaritra azy ny lalao aroso eto. Marihina fa asa fikarohana efa vitan’ny namana 79 ity lalao karatra ity. Saingy, noho ny fahitana fa mahasoa ny mpianatra marenina, dia atolotra azy ireo izany. Karazan-dalao roa no nezahina nasongadina tao anatin’ity kilalao KARATRA ity : - ny famintinana ireo vanim-potoana rehetra ao amin’ny tantaran’ny literatiora malagasy, hatramin’izay efa nianaran’ny ankizy tany amin’ny kilasy teo aloha aza, kanefa mbola tokony hofeheziny tsara ao amin’ny kilasy famaranana. - ny momba ny mpanoratra. Haseho ato amin’ity lalao ity ireo mpanoratra heverina fa anisan’ny malaza tao anatin’ireo vanim-potoana rehetra voalaza teo aloha ireo. Azo fintinina amin’ny alalan’ity fafana ity ny momba ny isan’ny karatra ao amin’ireo lalao roa ireo sy ny votoatin’ny karatra tsirairay, ary ny isan’ny mpilalao.

Ny karatra momba ny vanim-potoana Ny karatra momba ny mpanoratra ny isan’ny ahitana karatra 60 isa, satria manana karatra ahitana karatra 72 isa, satria karatra 6 avy ny vanim-potoana folo namomboka manana karatra 03 avy ny tany alohan’ny hatramin’ny taona 1820 ka mpanoratra 24 voafidy tao hatramin’ny taona 2000. anatin’ny vanim-potoana misy. Nezahina hitovy ny lokon’ny karatr’ireo mpanoratra tao anatin’ny vanim-potoana iray votoatin’ny Ireto avy no voarakitra ao anatin’ireo karatra manana karatra 03 avy ny karatra 6 isaky ny vanim-potoana mpanoratra tsirairay, ka ireto 1. ny taona manomboka sy mamarana ny no hita ao : vanim-potoana iray, ankoatra ny vanim- 1. ny sary sy/na ny anaran’ilay potoana talohan’ny taona 1820. mpanoratra miaraka amin’ny Ohatra : « Vanim-potoana Kristiana » : taona, daty nahaterahany sy

79 RAMANANTSOA Nirina, Ny toetra amam-pihetsiky ny ankizy kilasy famaranana sy ny fomba tokony hampianarana ny tantaran’ny literatiora araka izany , CAPEN, 2006, tak 192-201 161

(1820-1896) nahafatesany 2. ny zava-misy hita fa mifamatotra amin’ny 2. ny tantaram-piainan’ilay literatiora nivoaka tamin’io vanim-potoana mpanoratra tokony ho fantatra io. 3. ny santionan’ny asa sorany 3. ny literatiora vokatr’izany zava-nisy izany anisan’ny nalaza 4. ny tara-kevitra novoizin’ny mpanoratra tany anatin’ny asa soratra nivoaka nandritra ilay vanim-potoana 5. ny mpanoratra nalaza tao anatin’ilay vanim-potoana 6. ny asa soratra nalaza nandritra ilay vanim- potoana isan’ny satria isa ankasa ny isan’ny vanim-potoana Tarika tokana, ahitana mpilalao mpilalao rehetra (10) dia azo zaraina ho tarika 02 na 02 ka hatramin’ny 04 no 05 ny mpianatra (arakaraka ny isan’izy ireo milalao. amin’ity lalao ity, mba tsy hampisy ambiny ny karatry ny vanim-potoana. Raha mizara ho tarika 05 ny ankizy, dia milalao karatra 12 avy, izany hoe vanim- potoana 02 avy isan-tarika. Raha mizara tarika 02 izy, dia milalao karatra 30, izany hoe, vanim-potoana 05 avy isan-tarika

Fafana 16 : fampahafantarana ny lalao karatra

 ny fomba fanatanterahana ny lalao Amin’ny fanatanterahana ny lalao, dia tsy maintsy jerena ny tanjona kendrena mba hahazoana ny fandresena, ny fomba filalaovana ny karatra tsirairay ary ny fitsipi-dalao. Haseho mifanesy ao anaty fafana eto ireo.

Ny karatra momba ny vanim-potoana Ny karatra momba ny mpanoratra 162

Ny tanjona dia ny hahaizan’ny mpianatra : Ny tanjona dia ny hahavorian’ny - mampifanaraka ny karatra 06 natokana ho an’ny mpilalao ireo karatra 3 natokana ho vanim-potoana tsirairay eo anatrehany. an’ny mpanoratra - manavaka ny votoatin’ny vanim-potoana iray, amin’ny vanim-potoana hafa - izay tarika na mpilalao, mahay mampifanaraka tsy misy diso ny karatra 6 ao amin’io vanim-potoana io no mandresy

Fafana 17 : Ny tanjona ao amin’ny lalao

Ny karatra momba ny vanim-potoana Ny karatra momba ny mpanoratra - ampifangaroina tsara ireo karatra - pasohina tsara ny karatra voatokana holalaovin’ny tarika - izarana karatra 03 avy ny mpilalao, - izarana karatra 06 avy ny mpilalao ka ny ambiny dia ahohoka eo ka ny ambiny dia ahohoka eo afovoany, mba hatao « fiandry » afovoany, mba hatao « fiandry » Fanamarihana : mitovy amin’ny - izay ankizy milalao voalohany dia fizotry ny lalao momba ny vanim- tsy maintsy « manary » karatra iray potoana ny tohin’ny lalao karatra fomba filalao amin’ireo karatra 6 eny an-tanany momba ny mpanoratra rehefa (izay hitany fa tsy ilaina), ary maka voazara ny karatra telo avy ho an’ny karatra iray eo amin’ilay atao hoe : mpilalao « fiandry » izy ho solon’izay - tohizina hatrany ny lalao mandra- « nariany » teo. pahatonga ny fahafenoana momba - izay mpilalao manaraka kosa dia ilay mpanoratra amin’ny alalan’ny manana safidy anankiroa : na izy karatra 3 eny an-tanan’ny mpilalao. maka ilay karatra efa « nariana » teo Izay mahafeno voalohany no aloha, na izy mandray amin’ilay mandresy. karatra « fiandry » arakaraka izay hitany fa mifanaraka amin’ny karatra eny an-tanany. Tahaka izany hatrany ny fihodin’ny lalao mandra- 163

pahatonga amin’ny filahatry ny vanim-potoana hotadiavina. Izay mahafeno voalohany no mandresy -izay karatra « very farany ihany no azon’ny mpilalao manaraka raisina, na Fitsipi-dalao dia maro aza ireo karatra efa « narian’ny mpilalao » mitoby eo afovoany. -azo pasohina indray mandeha ny karatra efa « narian’ny mpilalao », raha toa ka lany ny « fiandry », nefa mbola tsy misy mahafaty ny lalao.

Fafana 18 : Ny fomba filalao sy fitsipi-dalao

 ny fotoana anaovana azy Amin’ny fotoanan’ny famerenana izay efa mampipetraka ny votoatin’ny lesona rehetra no mety hanaovana lalao, mba hahafahana manamafy ny fahalalan’ny mpianatra sy ny fitadidiany manoloana ny fanadinana tsy maintsy atrehiny. Azo atao ihany koa anefa ny mampitsidika tsikelikely ny lalao isaky ny mahavita lesona roa na telo, ahazoana manamafy dieny mialoha izay nampitaina, mba tsy hampitambatra be loatra izany amin’ny fotoana efa manakaiky ny fanadinana. Tsara raha anokanana fotoana miavaka mihisy ny fampiharana ny lalao, mba hampiaina kokoa ny fampianarana sy ny mpianatra manatanteraka azy. Anisan’ny fototra famolavolana ny mpianatra hanana ny maha izy azy ny literatiora. Noho izany, tsy tokony hianona amin’ny fampiasana lahatsoratra fotsiny ny mpampianatra eo amin’ny fampianarana ity zana-taranja ity, fa hiezaka hampiasa ihany koa ireo zavatra hita maso ho fanampiana ny mpianatra.

3.3.2 Tolo-kevitra ho an’ny mpianatra

Araka ny fanadihadiana natao, dia anisan’ny tsy mampahomby tanteraka ny mpianatra marenina amin’ny fianarany ny tsy fahampian’ny fitadidiana, ary ny tsy fitiavana vaky boky. Manoloana izany, indreto misy tolo-kevitra vitsivitsy mba ho fanampiana azy ireo, na dia min’ny ampahany ihany aza : ny tolo-kevitra manampy amin’ny fitadidiana, ny tolo-kevitra hampitiavana ny mpianatra ny vaky boky

164

3.3.2.1 Tolo-kevitra manampy amin’ny fitadidiana

Zava-dehibe eo amin’ny fiainana, indrindra eo amin’ny fianarana, ny fitadidiana. Miankina amin’io mantsy ny hampahomby na tsia ny fianaran’ny mpianatra. Izany no mahatonga ny mpampianatra hikaroka fomba samihafa ho fanampiana ny mpianatra mba hananany fitadidiany tsara. Misy fomba raikitra àry ve hanampiana ny fiasan’io fitadidiana io ? Hozaraina roa ny fomba entina manatsara ny fitadidiana : ny hetsika atao sy ny fanohanana ara-tsakafo.

a) Ny hetsika atao na ny toetra volena I BINET 80 dia mamaly fa tsy misy torolalana raikitra hihazonana ny fiasan’ny fitadidiana. Ny hany azo atao dia ny fanarahana ireto toromarika vitsivitsy ireto : • ny fotoana fianarana : eo amin’ny fotoana mahavonona ny vatana sy ny saina no fotoana tsra indrindra handraisana zavatra. Raha amin’ny fotoana faharerahana na fikorontanan-tsaina mantsy no mampiasa ny fitadidiana, dia miasa mafy tokoa ny vatana, nefa tsy mandray na inona na inona ilay fitadidiana. Koa araka ny traikefa nananany sy ny fandinihana nataon’ny mpikaroka dia amin’ny fotoana maraina no fotoana tsara hampiasana ny fitadidiana.

• ny fetram-potoana ampiasana ny fitadidiana : tsy mety raha fohy loatra ny fotoana ianarana, na koa lava loatra. Fahefatra adiny eo ho eo ny fetra-potoana tsara indrindra ampiasana ny fitadidiana isaky ny hetsika iray atao.

• ny fialana sasatra : tsy azo atao ny manao hetsika samy hafa mifanesy ; izany hoe, aorian’ny fanaovana hetsika iray, dia tokony hiato kely aloha mba hahazoan’ny fitadidiana mandamina sy mametraka tsara ny zavatra azony.

• ny famerimberenana : ilaina ny famerimberenana mba hampipetraka tsara ny zavatra tiana ho tadidy.

80 UNICEF, opcit p132 « il n’existe pas un procédé spécial, un « truc », un secret merveilleux qui nous permettrait d’amplifier notre mémoire et de retenir par la suite tout ce que nous voulons. Cependant ce que l’on peut faire [ ] respecter certaines règles lors de la mémorisation : l’heure de l’étude, durée d’une étude de mémoire, le repos après la séance, l’attention et la répétition, culture de la mémoire des sensations, culture de la mémoire des idées » 165

• ny fampiasana fitaovana : ilaina ny fampiasana fitaovana azo tsapain-tanana sy hita maso mba hanampy amin’ny fiasan’ny fitadidiana. Ohatra : ny sary, ny tononkalo, ny peta-drindrina

• ny fambolena fitadidiana amin’ny alalan’ny hevitra : izany hoe mitady fomba mba hitadidiana ny hevitra tiana hambara. Ohatra : ny fampiasana tarehimarika, ny famantarana manokana. Ankoatra izany, manampy ny fitadidiana ihany koa ny fanohanana ara-tsakafo.

b) Ny fanohanana ara-tsakafo Araka ny fandinihana nataon’ny mpikaroka toa an-dry i BINET ihany, dia avy ao amin’ny atidoha no iavian’ny eritreritra sy ny fitoeran’ny fitadidiana. Mba hahalavorary tsara izany asany izany, dia zava-dehibe ny fanohanana ara-tsakafo atao aminy. Anisan’izany ny sakafo mitondra « glucides » (siramamy,…), ny sakafo ahitana menaka (cesam, soja,…), ny sakafo mitondra hery (hena, atody, trondro…), ny sakafo misy « oligoaliments » (fer, vitamine). Ho fanampin’ireo sakafo ireo, ilaina ny mihinana « SPIRULINE ». Fa inona moa izy izany ? Ny « SPIRULINE »81 dia azo avy amin’ny karazan-domotra, azo antsoina hoe « algue bleue ». Enimpolo isan-jato ka hatramin’ny dimy amby enimpolo isan-jato ny « protéines » entiny. Ambolena ao anaty toerana misy rano izy io, ary omena sakafo isan’andro. Lomotra miloko maitso no azo ; alaina ao anaty rano, atapy andro, dia ahodina araka izay itiavana azy ny endriny : atao toy ny vovoka, na atao lavalava. Mitana anjara asa lehibe eo amin’ny fahasalaman’ny olombelona ny « SPIRULINE ». Araka ny fitiliana nataon’ny mpikaroka, sakafo feno sy ara-dalàna izy io. Hita ao aminy avokoa mantsy ireo foto-tsakafo rehetra ilain’ny vatana tahaka ny « calcium », ny « vitamine », sns. Manasitrana aretina isan-karazany ny « SPIRULINE » toy ny tsy fahampian-drà, ny tazo, mampitombo ny hery fiarovana ao amin’ny vatana, ary manampy indrindra ny mpianatra amin’ny fitadidiana. Toy izao ny toromarika ho amin’ny fampiasana ny « SPIRULINE » : - azo hanina miaraka amin’ny sakafo izy, toy ny vary, ny laoka misy rony, saingy tsy azo andrahoina - mandritra ny roa na telo herinandro mitohy ny fihinanana azy.

81 Resadresaka natao tamin’Andriamatoa Rivo, mpamboly « spiruline » eny Andoharanofotsy, tamin’ny Alarobia 11 mey 2011 tamin’ny 10 ora maraina. 166

- azon’ny sokajin’olona rehetra atao ny mihinana ny « SPIRULINE » : ny antitra, ny tanora, ny vehivavy bevohoka, ny ankizy, saingy ny fatrany no tsy mitovy. Toy izao amin’ny ankapobeny :

Antony ihinanana azy fatrany Tsy ampy hery na tsy dia ampy sakafo ½ sotrokely isan’andro (2g-5g) Tena tsy ampy sakafo 1 sotrokely-1 sotrolehibe isan’andro (5g-10g)

Fafana 19 : fatra fihinana ny « SPIRULINE » amin’ny ankapobeny

Araka izany, mahasoa ny fihinanana « SPIRULINE ». Ankehitriny, miezaka ireo mpikaroka hanaparitaka ny fampiasana azy io. Mbola vitsy mantsy ny mihinana azy noho ny fahefa- mividy ambany. Telo arivo ariary ka hatramin’ny iray alina ariary ny vidin’ny iray fonosana. Tombontsoa ho an’ny sekoly Akanin’ny Marenina ny fampiasana azy io, mba ho fanampiana ireo mpianatra, na ara-tsaina, na ara-batana. Ilaina tokoa mantsy ny fikolokoloana ny fitadidiana amin’ny fitandremana samihafa ary ny fanohanana ara-tsakafo.

3.3.2.2 Tolo-kevitra hampitiavana ny mpianatra ny vaky boky

Araka ny efa nambara tany aloha, dia antoky ny fahombiazan’ny mpianatra amin’ny fianarana ny vaky boky. Toa tsy liana amin’izany anefa ny ankamaroan’ireo mpianatra marenina. Koa mba ho fanampiana azy ireo ho tia vaky boky, indrindra moa fa ireo boky voatondron’ny fandaharam-pianarana, dia hisy tolo-kevitra vitsivitsy haroso eto ambany. Nandritra ny fanaraha-maso nataonay tao amin’ny trano famakiam-bokin’ny sekoly, dia nahamarika izahay, fa ireo boky misy sary no manavanana ny mpianatra ny famakiana azy. Tsikaritra tamin’izany fa ny sary no dinihiny mialoha, fantariny ary izay izy vao mamaky ny lahatsoratra eo ambany. Izany toe-javatra izany no nanosika anay hanome tolo-kevitra ho an’ireo tompon’andraikitra. Tsy inona izany fa ny famolavolana sy fandrafetana boky fianarana voaravaka sary. Raha azo atao aza, dia atao an-tsary avokoa ny lesona. Heverina fa hanintona sy hahaliana ny mpianatra tokoa izany. Ilana fandaminana tsara anefa ny boky toy 167

izany : ny fandaminana ny loko, ny fandaminana ny endri-tsoratra ary ny fandaminana ny sary sy ny lahatsoratra 82 .

a) Fandaminana ny loko Araka ny fahita amin’ireo karazam-boky samihafa, dia manana safidy ny mpanoratra na hampiasa loko na tsia. Milaza i François RICHAUDEAU fa tsy mitondra fahalalana ny loko. Tsy hoe tsy misy dikany akory anefa na hadalana ny fanaovana sary miloko, fa manome endrika tsara ny boky izy, manintona ny mpampiasa azy, mandrisika azy hikirakira izany hatrany. Tokony hotandremana anefa ny fampiasana ny loko : atao loko « voajanahary », na ampiasana loko efatra na mihoatra mba hanahaka ny tena izy. Anjaran’ny mpanoratra ny mandanjalanja ny fandaminana ny loko. Kendrena fotsiny mba ho sary mazava, manakaiky ny tena izy, na miloko na tsia. Izay hahatafita ny hafatra amin’ny alalan’ny sary mantsy no zava-dehibe.

b) Fandaminana ny endri-tsoratra Ireto ny endri-tsoratra fampiasa amin’ny boky matetika : soratra rômana, sora-mandry, sora- matavy. Samy manana ny sehatra tokony hampiasana azy ireo endri-tsoratra ireo. Araka ny toro-hevitr’i François RICHAUDEAU ihany, dia toy izao ny sehatra tsara hampiasana ny endri-tsoratra tsirairay. - ny soratra rômana : ny endrika soratra madinika no ampiasaina amin’ny lahatsoratra - ny sora-mandry dia ampiasaina amin’ny teny taterina, anaran-tsamirery, teny fototra, lahatsoratra fohy sy manokana. - ny sora-baventy romana ho an’ny lohateny lehibe sy zana-dohateny - ny sora-mandry lehibe : ho an’ny zana-dohateny sy ny lohateny kely rehetra izay manan-danja. Koa mba hampazava ny lahatsoratra, dia tsara raha hajaina an-tsakany sy an-davany ny fampiasana ireo endri-tsoratra ireo.

d) Fandaminana ny sary

82 ANDRIANARIVELO Rindra Elisoa, Fomba famolavolana boky fampianarana mifanaraka amin’ny fandaharam-pianarana kilasy famaranana tamin’ny taona 2000, miainga amin’ny fanadihadiana ny Boky Lovako T12 , CAPEN 2010, tak 96-98. 168

Toerana telo no azo ametrahana ny sary araka ny fandaharana azy manaraka eto.

- 1. Mitokana takila ny sary : tsy eo akaikiny ny lahatsoratra, fa na any aloha, na any aorian’ny lahatsoratra no misy azy. Ohatra : sary sy lahatsoratra, nalaina tao amin’ny Boky Fary Mamy, nosoratan’i RAVALITERA Nalisoa Jean sy RAVELOMANANA Herman ary RABEMOLALY Fanomezana, Kilasy Famaranana, tak 236-237

169

170

- 2. Eo akaikin’ny lahatsoratra no ametrahana ny sary. Ohatra : nalaina tao amin’ny Gazety Taratra nivoaka tamin’ny 1 Jolay 2011, laharana 2231.

171

- 3. Mifanaraka ny lahatsoratra sy ny sary, izany hoe : na ambony na eo ambany ny sary. Ohatra : nalaina tao amin’ny boky Firenena malagasy, nosoratan’i E. FAGERENG sy M.RAKOTOMAMONJY, Edisiona SALOHY, 1963, tak 13.

172

Ho an’ny mpianatra marenina, dia ity fandaminana farany no heverinay fa tsara. Ho mora amin’ny mpianatra mantsy ny mandinika ny sary, ary ny mamaky avy hatrany ny lahatsoratra na tantara mifanaraka amin’izany. Manampy ny fitadidiany izany, satria ny fahitana ilay sary dia efa mamorona hevitra sahady ao anatin’ny sainy. Mba hanehoana izany hoe sary sy lahatsoratra mifanaraka izany, dia indro santionany izay narafitray, nalaina avy tao amin’ny boky Vakivakim-piainana nosoratan’i Iharilanto Patrick Andriamangatiana. Ny toko I ao amin’ny fizarana voalohany no aseho amin’izany.

Ny akoholahy mpamoha ahy isa-maraina dia vehivavy mpantsaka. Nikotaba tao andrefan- trano tao izy ireo : miady laharana, mifosa namana dia manao farahehy. Amin’ny 5ora izay. Mba nandray ny daba fantsakana aho rehefa lasa ireo akohovavy maneno ireo. Nanezakezaka nameno ny sinibenay haingana. Menatra aho manko. Menatra sao ho hitany eo. Menatra ny fifosan’ireo mpantsaka ireho ahy… Kanjo tsy maintsy tazany ihany foana : « Iny ‘r’ireto i Besapaka a ! » hoy ny eso mitakoritsika niakatra ho kakakaka… Nitsoriaka nody faingana aho : fadiranovana ery ! I Be saina mpaka rano na « Besapàka » no anaram-bositra hatramin’ny nahafantaran’izy ireo fa « very seza teny Ankatso teny » aho. Namerin-taona tsy afaka manko fa voaroaka tamin’ny Fiofanana ho mpitantan-draharaha… Dia ny raharaha tao an-tokantranon-dranabavy sisa mba notantaniko ! Saingy tsy mba neken’ireto mpantsaka ho mitovy zara taminy aho ; hany ka noraiketiny hoe i Be saina mpaka rano. Dia menatra aho.

173

Mba mivaky tamin-dranabavy ihany aho... Mafy loatra ity hoe : « Besapàka ity ! » Mba mivaky tamin-dranabavy ihany aho amin’izany henatra izany. Mafy loatra ity hoe : « Besapàka » ity ! - I Tsiry ity koa ! hoy ny fihomehiny. Izay vavam-behivavy avy ka atao mahataitra - Ka mavesatra anie, ry Voahangy e ! Mavesatra noho ny daban-drano ! - Aoka re, ry Tsiry a ! Odio tsy fantatra fotsiny e. Dia vita teo ny resaka. Vehivavy malemy paika i Voahangy ka nalain-kiady taman’olona. Tsapany anefa ny alaheloko. Somary nangala-pijery ahy izy, saiky mbola nisoka-bava, kanjo nangina ihany. Toa henoko nisento… Dia vitan’izay ny resaka. Andao hisakafo fa miandry Ramily.

174

Ny sosoa mpamelona ahy isa-maraina dia herongeron-dehilahy. Nangina tsara manodidina an-dRamily zaodahiko ny ankohonany : nandoatra ny vary, nandray ny sotro dia niandry an-dRamily handrapaka. Amin’ny 6 ora sy sasany izay. Mba nandoatra ny anjara variko aho rehefa ampy tsara ny an’ny rehetra. Nitelina niondrikondrika toy ny nangala-pihinana, saikatra aho manko. Saikatra sao ho hita ho nankafy. Saikatra noho ny fijerin-dRamily zaodahiko nanatsafa ny « hatendako »… Kanjo tsy maintsy nantsafainy ihany foana : « efa mbanahita asa angaha Ratsiry tsy an’asa ? » hoy ny esony mody miandry valin-teny. Nitanondrika faingana tanaty lovia aho : torovandrovana ery ! « Ratsiry tsy an’asa » no fanangolany ny anarako hatrizay nialokalofako tao an-tranony. Nitady asa hatrany manko saingy « tsy lany » foana, ka dia mpiandry trano lazaina ho « miandry vary ho masaka » sisa ! Saingy tsy mba neken’ity zaodahiko ho « ara-dalàna » izany ; hany ka notebahiny hoe : « Ratsiry tsy an’asa ». Dia saikatra aho.

175

Mba mitaraina tamin-dRanabavy ihany aho momba izany fahoriam-panahiko izany… Ity Tsiry ity koa !... Izay ngerongeron-jandàry avy ka atao mahagaga… Tena nalahelo ahy tokoa izy, te hampahery ahy kanjo nangina ihany… Mba mitaraina tamin-dRanabavy ihany aho momba izany fahoriam-panahiko izany. Nangidy loatra ity hoe : « Ratsiry tsy an’asa » lavy ity ! - Ity Tsiry ity koa ! hoy ny fitsikiny maloka. Izay ngerongeron-jandàry avy ka atao mahagaga. - Ka mavesatra anie, ry Voahangy e ! mavesatra noho ny efa henatra rahateo ny fanantsafany ahy ! - Aoka re ry Tsiry a ! Odio tsy re fotsiny e - Ka reko foana anie e ! Dia toy izany hatrany ny resakay. Vehivavy mataho-bady i Voahangy anabaviko ka nalain- kiaro ny anadahiny. Tsapany anefa ny fahoriako. Tena nalahelo ahy tokoa izy, te hampahery ahy kanjo nangina ihany. Toa tsinjoko nisefosefo… dia toy izany ihany ny resakay… - Handeha hiasa izahay e.

176

Rehefa lasa avokoa « ireo manan-katao », araka ny filazan-dRamily azy, dia izaho irery sisa ? Mba ho aiza moa ity « tsy an’asa » be raharaha !... Fa nialoha ny fanasan-dovia, ny fampirinan-trano sy ny fanokoan-tsakafo dia nandany fotoana tao an’efi-bahiny tao aho mazàna. Ilay fitara-be no nahavariana ahy tao. Nifanandrina teo « Ratsiry be saina mpaka rano tsy an’asa » sy izaho. Nodinihiko tsara ny endriny. « Endrey ! ty volony ! misaritadritaka toa vody kifafa ! ary ‘ty handrina ! mandondona ila hianjera ! Marina tsy mila fanohanana io ! ‘Reto maso e ! Lalina dia lalina, fianjeran’izao karazan’alahelo rehetra izao… Ireto molotra aza toa mangovi-pahanterana sahady ! Ratsy loatra tokoa raha ity « Ratsiry be saina tsy an’asa ity ! » hoy aho. Nojereko indray ny bikany ; notombanako tsara. « Dray ! ty tratrany ! mitrakitraky toa tany vatoina ! Ary ‘ty kibo e ! mitofeza-dava tsy mety ho voky : marina tsy kankanina io ! ‘Reto sandry e ! hozatina dia hozatina, fisavilian’ny daban-drano. Ireto fe ary toa mihenam-pahanterana sahady ! Mahonena tokoa raha ity Besapàka ity ! hoy aho… dia mihomehy irery teo ilay « omby hantsika » ; nihomehy satria tsy afa-nitomany. Hitomany tena ary ve… ? Toy izany ny fialam-bonkiko… nialoha sy taorian’ny raharahako. Tsy an’asa manko ka tsy manan-katao. Na nanan-katao tamin’ny tsy asany !

177

Varian-draharaha aho ka saiky tara tamin’ny fakana mpianatra. Amin’ny 11 ora izay. Anisan’ny lahasako koa manko io, saingy io no nahafinaritra ahy indrindra. Nahafinaritra ahy indrindra satria tiako ilay olona tsenaiko any. Tiako satria hany mba nitia ahy angamba izy. Zazavavy kely enin-taona i Vony, faravavin-dry Ramily. Sariaka dia sariaka ary be dongidongy aoka izany ery, indrindra raha somary tara kely ao teo am-pitsenana azy.

Iharilanto Patrick Andriamangatiana, Vakivakim-piainana , tak 3-6

Niompana betsaka tamin’ny lafiny haifampianarana ity fizarana fahatelo ity. Naseho tamin’izany ny maha zava-dehibe ny fahalalana ny zana-taranja, sy ny tajona ao aminy. Tsy natao ho ambanin-javatra koa anefa ny fandrisihana ny mpampianatra mba hitondra fampianarana mahaliana ny mpianatra toy ny fampianarana miendri-dalao, ny fampamoronana ny mpianatra, ny fampijerena sarimihetsika. Mahatonga ny mpianatra hanana saina kinga sy mampivelatra azy izany. Nasongadina tao anatin’izany koa ireo toro-hevitra mba hanampiana ny fitadidiana ary ny azo atao hampitiavana ny mpianatra ny vaky boky.

178

TENY FAMARANANA

Eto am-pamaranana dia tiana ny mampahatsiahy fa mifantoka tamin’ny endriky ny fampianarana araka ny nahitana azy tao amin’ny sekoly Akanin’ny Marenina ao amin’ny Kilasy Ambaratonga Faharoa dingana faharoa ny fanadihadiana naroso teto. Ankoatra ny maha dingana tsy maintsy lalovana ny fanolorana asa fikarohana, dia natao koa ny fanadihadiana mba hisedrana ny fahalalana azo nandritra ny dimy taona niofanana tao amin’ny sekoly fanomanana ho mpampianatra. Ezaka hitondrana ny anjara biriky eo amin’ny fomba fampianarana ny taranja malagasy no mitarika anay hisafidy ny lohahevitra. Dingana telo lehibe no nolalovana tamin’ny fanatanterahana ny asa : voalohany, ny fitrandrahana ireo tahirin-kevitra sy boky mahakasika ny lohahevitra. Nodinihina sy nofantenana ireny rehetra ireny vao narafitra ny asa. Faharoa, ny firesahana mivantana tamin’ny tompon’andraikitry ny sekoly izay tena nanampy betsaka tokoa. Ary farany, ny fanatrehana mivantana ny fomba fampianarana izay nahatarafana ny fizotry ny fampianarana tao amin’ny kilasy nanaovana fanadihadiana. Tsy mandeha ho azy anefa ny asa, fa nisy ireo olana nosetraina teny an-dalam-pikarohana toy ny fahateren’ny fotoana, ny tsy fahampian’ny boky. Na izany aza ny zava-nitranga, dia nezahina hatrany ny hahatontosa ny asa hatramin’ny farany. Haitsikera roa samy hafa no nampiasaina tamin’ny fanadihadiana : ny haitsikeran’ny fifandraisana ary ny haitsikeran’ny haifampianarana. Ny lalan-tsain’i Roman JAKOBSON no nosafidina tamin’ny haitsikeran’ny fifandraisana : ny hafatra no vontoatin’ny fifandraisana, ary tsy maintsy mifanaraka ny rafi- pamantarana ho an’ny mpandefa sy ny mpandray hafatra mba hampahomby ny fifaneraserana. Nampifandraisina tamin’izany lalan-tsaina izany ny fifandraisana misy eo amin’ny sekoly Akanin’ny Marenina. Fantatra tamin’izany fa ny « Tenin’ny Tanana » no fitaovana fampitan-kafatra ampiasaina ao amin’ny sekoly, na ny tompon’andraikitra, na ny mpianatra dia tsy maintsy mahafehy izany mba hahalavorary ny fifandraisana. Tamin’ny haitsikeran’ny fampianarana kosa no nampiharana fomba fijery telo : - ny fomba fijery « behavioriste » dia manome lanja kokoa ny taranja ampianarina ; - ny fomba fijery « cognitivisme » kosa dia mijery amin’ny ampahany ny mpianatra - ny « constructivisme » indray dia manome lanja tanteraka ny mpianatra. Na dia samy manana izay omeny lanja kokoa aza ireo fomba fijery ireo, dia tsapa fa mifameno ary azo ampiasaina tsara mandritra ny fanatanterahana ny fampianarana. Narindra tao anatin’ny fizarana telo lehibe ny asa : 179

Tao amin’ny fizarana voalohany no nampahafantarana ny mombamomba ny sekoly Akanin’ny Marenina. Naseho tamin’izany ny mahakasika ny marenina sy ny manodidina azy. Nasongadina tamin’izany fa mety ho aretina na hatrany am-bohoka no mahatonga ny tsy fandrenesana. Azo atao tsara anefa ny mitsabo ny sofina. Raha sanatria efa mby amin’ny tsy fandrenesana intsony, dia misy ny fanampiana sy toro-hevitra amin’ny alalan’ny fanatonana ny mpitsabo efa voatokana ho amin’izany. Taorian’izany no nampahafantarana ny tantara maneho ny niandohan’ny sekolin’ny marenina izay miankina amin’ny Fiangonana Loterana. Navoitra tamin’izany fa ny misionera no nanorina ny sekoly. Rehefa las aizy ireo, dia nankininy tamin’ny Fiangonana Loterana ny fikarakarana ny sekoly, ary ankehitriny dia ahitana azy isaky ny faritany eto Madagasikara. Anisan’ireny ny sekoly Akanin’ny Marenina eto amin’ny faritanin’Antananarivo. Ny fizarana faharoa dia nentina naneho ny fitondran-tsekoly sy ny fampianarana misy ao. Maro no voaresaka tamin’izany, toy ny lamim-pitondrana arahina ao amin’ny sekoly, ireo sampam-pianarana misy ao, ary ny fandaharan’asan’ny sekoly. Voamarika tamin’izany fa kilasimandry ny ankamaroan’ny mpianatra, ary miezaka ny haha olom-banona azy ireo ny tompon’andraikitra rehetra. Novelabelarina tamin’ity fizarana ity ihany koa fa manaraka ny fandaharam-pianarana avoakan’ny Ministeran’ny Fampianarana ny mpianatra marenina. Ny « Tenin’ny Tanana » no fitaovam-pifaneraserana amin’ny fampitana ny lesona, ary ny fafana, ny tsaoka, ny boky, ny lahatsoratra voafantina, ary ny takelaka no fitaovana hafa manampy izany. Raha ny teo amin’ny fomba fampitana lesona indray, dia nambara fa manao tolotra ny mpampianatra. Rehefa izay, miainga amin’ny zavatra hita maso ny fanazavana, ary kendrena hatrany mba ho tsotra, fohy mazava. Fomba samihafa avy eo no anaovana ny famerimberenana. Amin’ny fotoanan’ny fampiharana, dia miezaka manatontosa izany ny mpianatra tsirairay, ary eo ambany fanaraha-mason’ny mpampianatra izany. Misy ihany koa ny fotoana fampandraisana anjara ny mpianatra mba hoentina hampivelarana azy ireo. Natokana hanolorana soso-kevitra heverina fa hanatsarana ny fomba fampianarana ny fizarana fahatelo sady farany. Mialoha ny nanomezana ny tolo-kevitra anefa, dia noheverina fa ilaina ny nandravona ireo hevitra voalaza momba ny fampianarana tao amin’ny fizarana faharoa. Avy amin’izany no nanatsoahana ny mety sy ny tsy mety, ny tsara tokony hotanana ary ny lesoka tokony harenina. Rehefa izany dia naroso ny tolo-kevitra ho fanatsarana ny fampianarana. Niaingana tamin’ny soso-kevitra ho an’ny mpampianatra izany. Navoitra tao ireo fomba hanatsarana ny fampitana lesona ho an’ny mpianatra mba hahatonga azy ireo ho liana sy tsy hatoritory mandritra ny fampianarana ny taranja malagasy. Tao ihany koa no 180

nanolorana ireo toro-hevitra ho fanampiana ny mpianatra. Naompana tamin’ny alalan’ny fanomezana ireo toro-lalana ho fanampiana ny fitadidiana izany, ary fanentanana ny tompona andraikitry ny sekoly mba hamolavola boky fampianarana amin’ny alalan’ny fanehoana an- tsary mba hahasarika ny mpianatra ho tia vaky boky. Antenaina fa hitondra fahombiazana ho an’ny mpianatra izao asa fikarohana izao. Tsy ho azy ireo ihany anefa, fa natao koa ho an’ny mpampianatra sy ireo olona rehetra liana amin’ny fampianarana ny taranja malagasy, na dia ekena aza fa tsy tanteraka araka ny tokony ho izy. Misy fetrany ihany koa ny asa satria voafetran’ny haitsikera. Araka izany, mbola betsaka ireo zavatra tokony hotrandrahina momba ny fampianarana marenina. Ohatra, ny famolavolana boky fampianarana amin’ny toetra amam-pihetsiky ny mpianatra marenina.

181

LOHARANO NANOVOZAN-KEVITRA

A. BOKY

CRAHAY (M), Psychologie de l’éducation . PUF. Paris. 373 tak 1999

DELANDSHEERE (V) & DELANDSHEERE (G). Définir l’objectif de l’éducation Collection Franco poche. 1988 France. 590 tak

Faure (J.P). Eduquer sans punitions ni récompenses . Editions Jouvence. Paris. 96 tak 2005

GERARD de VECCHI & RONDEAU-REVELLE Michelle. Favoriser la relation Maître- Elève . Delagrave 2006 Editions. Paris .95 tak

HAMELINE. Les objectifs pédagogiques. ESF. Paris. 368 tak 1979

JAKOBSON. Essais de la linguistique générale . Minuit. Paris. 257 tak 1963

KOMITIN’NY SEKOLY AKAMA 67Ha. Tantaran’ny fahafolo taonan’ny AKAMA 67Ha . 1995 20 tak

LELEUX (C), Education à la citoyenneté , tome 2, Editions De Boeck, Belgique. 239 tak 2006

NADEAU (M.A). Mesure et évaluation des objectifs pédagogiques . Paris. 60 tak 1975

RAKOTOSON RAOLISOA (Lala). Lovako T11 . Editions Ambozontany. Antananarivo. 2003 288 tak Lovako T12 .Editions Ambozontany. Antananarivo. 288 tak

RANDRIANANTENAINA & RAHARIJAONA Alphonse & RATREMA William & RATSIMA Marcel. Soritrasa ho fanatsarana ny fampianarana ny teny malagasy any amin’ny Sekoly Ambaratonga faharoa manokana eto amin’ny faritanin’Antananarivo . Ampefiloha. 92 tak 1988

RICHAUDEAU (F). Conception et production des manuels scolaires . Guide pratique Imprimé par Duculot. Gembloux (Belgique). 290 tak 182

1979 SARTRE (JP), Qu’est-ce que la littérature ? Edidtions Gallimard,. 374 tak 1970

SAUSSURE (F), Cours de linguistique générale , Paris Payot. 520 tak 1986

TARDIF (J), Pour un enseignement stratégique , Editions Logique. Collection Théorie et 1992 pratique de l’enseignement. 474 tak

VINCENT (JF), Eduquer à la citoyenneté , Delagrave Edition, Paris, 108 tak 2006

YAN (A), Les méthodes d’évaluartion scolaire , Paris 128 tak 1968

UNICEF, Formation psychopédagogique , Antananarivo, 96 tak 1954

B. INTERNET

Foibe Fanabeazana ny Marenina, e-mail.fafana @moov.mg http.//www.cdlb.org/dicas.htm http.//www.medecine et santé.com http.//www.vulgario-medical.com http.//www.friendsofstwincents.org,word Federation of the Deaf, updated 15 March 2010

D. ASA FIKAROHANA

ANDRIAMBOAVONJY (M D), Haifampianarana ny taranja malagasy sy ny fandaharam- pianarana , CAPEN, 2003, 185 tak

ANDRIANARIVELO (R E), Fomba famolavolana boky fampianarana mifanaraka amin’ny fandaharam-pianarana kilasy famaranana taona 2000, miainga amin’ny fanadihadiana ny boky Lovako T12 , CAPEN, 2010, 250 tak

DIMBY VAOVOLO, Réflexion sur l’élaboration des programmes de Malagasy dans l’éducation de base et dans l’enseignement secondaire , Séminaire National de Réflexion sur l’enseignement du malgache dans le monde pluriculturel d’Aujourd’hui. 10 au 15 Dec 1990

183

RAHANTANIRINA (N), Ny olana sy ny andrana vahaolana eo amin’ny literatiora malagasy an-tsoratra , CAPEN, 2002, 71 tak

RAHARISOA (T), Fampianarana teny ibeazana sy fampivelarana amina kolontsaina samihafa ny taranja malagasy , CAPEN, 2003, 126 tak

RAHARIVOLOLONA (M), Andrana fanatsarana ny fampianarana ny riba ao amin’ny kilasy T12 any amin’ny fivondronam-pokontanin’i Manjakandriana , CAPEN, 1996, 116 tak

RAMANANTSOA (N), Ny toetra amam-pihetsiky ny ankizy kilasy famaranana sy ny fomba tokony hampianarana ny tantaran’ny literatiora araka izany , CAPEN, 2006, 260 tak

RANOROSOA (H), Andrana fanatsarana ny fampianarana ny tantaran’ny literatiora ao amin’ny kilasy famaranana ao amin’ny fivondronam-pokontanin’Arivonimamo , CAPEN, 1999, 140 tak

RAKOTOMALALA (D J), Fêtes et cérémonies officielles à Madagascar vues à travers des photographies , CAPEN, 1999, 140 tak

E. GAZETY SY REVIO

Revue de Pédagogie de l’Enseignement Supérieure , Volume 8, N°2, 1998

Rapport de la réunion d’experts qui s’est tenue à Paris en 1951, publié sous le titre : « L’emploi des langues vernaculaires dans l’enseignement », Monographie sur l’éducation de base. Paris UNESCO, 1953

SAMPANA TENY SY LAHATSORATRA ARY RIBA MALAGASY, Hiratra , laharana 4, 1982, 134 tak

F. RAKIBOLANA

HARRAP’S. Dictionnaire français-anglais / anglais-français . Editions Chembers Harrap Publishers, 2010, 251 tak

RADAODY-RALAROSY. Liste alphabétique des symptomes, syndromes et maladies connus des Malgaches avant l’arrivée des Européens . Académie Malagache, Antananarivo, 1977, 95 tak

RAJEMISA RAOLISON (R), Rakibolana Malagasy , Editions Ambozontany Antananarivo, 2003, 1061 tak.

184

TOVANA

185

1. Tononkalo ...... 182 Merika maraina...... 182

2. Lahatsoratra tsotra ...... 182 Ny rariny sy ny hitsiny...... 182 Ibointsy...... 182 Ny zava-maniry sy ny olombelona...... 183 Kilalao mahatsiravina...... 183

3. Sombin-tantara ...... 184 Lalana mody...... 184

186

Indreto àry atolotra eto lahatsoratra vitsivitsy ho fanatevenana ho loharano fanovozan-kevitra amin’ny fanatanterahana lesona na hanompanana ny fanazarana.

1. Tononkalo

Manerika maraina

Manerika maraina, ry lahy ! ny eto an-tany ! Maniotsioka koa ka mahangolingoly Ny saina verivery mitazana an’izany ; Ny fo mamelovelo, tsaroana volivoly.

Andrasana ho ritra vao mainka koa mijohy ; Mikija sy mifafy ‘lay erika maraina ; Irina mba hisava toa miantso hifanohy Amin-dranomaso ny alahelon-tsaina.

Josefa RAJAONAH

2. Lahatsoratra tsotra

Ny rariny sy ny hitsiny. Ny fitondrana tsy mitovy, ny fiangarana amin’ny fitiavana, ny tsindrihazolena, ny hetraketraka, ny fanalikana, ny tahotaho-poana, ny fanosihosena, ny halozàna, dia samy toetra tsy ara-drariny avokoa. Tsy azo leferina ireo, ka hoy ny Ntaolo : « Ny hitsiny tsy aritra, ny rariny tsy enti-mandefitra ». Nefa indray ampiany hoe : « lanjalanjao mialoha, fantaro ny amidy vao miady varotra, ndrao misy fanafodiny ihany, ndrao mbola misy raharaham- pihavanana ihany st teny mora azo atao, fa ny fo tezitra tsy ananan-drariny ». Raha misy toe-javatra miseho toa famelezana ny tena, dia dinihina tsara aloha. Aoka ho fantatra mazava vao manao izay azo atao. Aza malady tezitra ambony ihany; fa « raha tezitra alohan’ny rariny, dia tsy misy hasiana ny hitsiny ; fa fisaka ny rariny, ary ny isavasavana ny tahony, hahitana ny fotony ; fandrao ny kary no manao ny ataony, ka ny saka avy no voatapan-drambo ». Nefa kosa « na amboako na amboan’olona, rehefa vandana dia kary ». Rehefa ratsy dia ratsy mandoto tany sy fanjakana.

Joseph RAKOTONIRAINY, Ny Tsaran’ny Razantsika , tak.22

Ibointsy. Fa Ibointsy kosa, indro itangoronan’ny ankizy iray tanàna aminy mikabary dia mikabary… « Novoriko ianareo, ry zalahy, fa misy zava-dehibe ilana lehilahy. Fantatrareo Ikakabenify. Rahalahy, anabavy, zoky, zandry eny, ankizy firifiry akory no efa laniny hatramin’izay ? 187

Mbola mety hohaniny anio alina, rahampitso, amin’ny andro manaraka ny iray amintsika eto. Ho lany ritra isika rehetra, isika zanak’ity tanana ity… Iza no handrasantsika hamono ny fahavalontsika ankizy ? Ny olon-dehibe ve ? Izy rehetra dia samy matahotra an’Ikakabenify, samy tsy miraharaha ny fahavoazan’ny hafa. Hiantso an’Ikompia ve isika hanampy antsika ? Mba mahamenatra ihany fa samy lehilahy. Fanavotana ity. Tsy ekena na oviana na oviana ny hanimbana ny ho avin’ity tanàna ity sy ny taranak’ity firenena ity ». Alina ny andro. Mazim-be sahady. Indreny ry zalahy madinika rehetra samy mamonjy ny toerany, miafina manodidina ny tranon-dry Ibointsy. Vonombonona avokoa ry zareo samy mitazona rantsan-kazo. Iny fa tamy Ikakabenify… Nitangorona sy niantsoantso ry zalahy. Voatoraka afo ny kibon’Ikakabenify ka vaky. Maty izy. Faly sy ravo ny olona tao an-tanàna fa afa-doza. Nanana fahasahiana tokoa ry Ibointsy sy ny namany.

Samuel Randria (2 mars 1946), Iarivo , Janvier 1947, Tak 232-234

Ny zava-maniry sy ny olombelona. Mahita ireto vonim-boahirana eny an-tanan-janakao aho ka mahatsiaro ilay farihinay tsara tarehy any Fiadanantsoa. Farihinay fahiny manko e ! Nambolenay voahirana betsaka izy ary endre ny endriny rehefa mamelana ireny voahirana ireny ! ny loko volomparasy tanoran’ny voniny eny anelanelan’ny raviny mitapelaka boribory miova toy ny vatoberila maitso sy volomparasy eny an-tratran’ny zazavavin-drano ! - Fa mba tianao angaha izy ireny, Ramatoa Ravero ? - Hatramin’izay nidiran’ny fahorianay mianaka izay, dia itony no voninkazo tiako indrindra satria toa mba mitahiry ny zava-miafin’ny fanantenana izy. Mikombona izy rehefa tonga ny alina, nefa kosa vao miandoha ny maraina ka tonga ny hazavana dia iny indray izy mivelatra mahafinaritra, toy ny tsy nikombona iray minitra akory : feno hanitra, feno hatsaran-tarehy ! Nahoana moa no ho kivy izahay ? Hoy aho eo am-pandinihana azy eo. Moa raha voatery hikombona tsy fidiny aza ny fiainanay noho izao ali-maizim-piton’ny fahavoazana izao, tsy mba hisy va ny maraina vaovao izay hiverenan’ny fahasambarana indray, ka hamirapiratan’ny fiainana toy ny taloha !

RAFANOHARANA, Ilay Veromanitra , tak 58-59

Kilalao mahatsiravina. Rehefa injay, mangina ny vohitra, fa midina any an-tsaha ny lehilahy, variana amin’ny taozavany ny vehivavy, dia lasa izahay roapolo lahy, mihodina ny lapa, lavidavitra ny tranomasina ary tonga ao an-tampon’Ambohijanahary. Hiaranandriana no anaran’ilay toerana. Asikina ny lamba. Vahana ny salaka ary afatotra mba hifampitohy. Ary mifampisintona manao kilalao mandritra ny iray ora eo ho eo. Rehefa vita izany dia lasa manatona ilay hantsana mahatsiravina eo amin’ilany atsinanana izay harambato lalina be. Misy namana iray arotsaka tsimoramora any amin’io hantsana io. Afatotra aminay aty ambony ny valahany. Ny namana sisa dia mitazona mafy aty ambony. 188

Ilay namana midina any dia mitondra hazo ny tanany havanana. Satria atao fiarovan-tena ny hazo. Ny tanana havia dia miomana hitondra babo (haza) mody. Ao amin’ny antenantenan’ny harambato ao dia misy voromahery mametraka ny akaniny. Mbola tsy tonga eny ambany akory ny namana dia tonga ny voromahery hiaro ny zanany. Mikopakopaka mafy ny elany. Toy ny bera (ours) sy ny liona miaro ny zanany. Ary dia tena miady ilay namanay sy ny voromahery. Nony azo tokoa ny zana-borona dia mikiakiaka. Ka romotry ny hatezerana ilay reny vorona. Ka rotika sy feno ra ny hoditr’ilay namanay ; nefa tsy nampaninona azy izany fa toy ny hodin-tsokatra mafy izy. Manome baiko amin’izay izy mba hosintonina hiakatra fa efa nandresy sady sahy. Avy eo dia mankany avaratra Ambatonandriana izahay ka mitono zana-boromahery. Nisy nahatsikaritra (nahita) anefa izahay ka nanontaniana toy ny manao famotorana. Ary dia nilaza ny marina. Ka kapoka izao a ! Saiky tsy nahay natory tamin’ny tsihy izahay roapolo lahy fa nangirifiry. Tsy sahy nanindroa (namerina) intsony. Amin’izao fotoana izao, lazaiko anao fa rehefa mijery an’io toerana nilalaovana io aho dia mangovitra ny tenako, tsemboka ny tongotro, fanina ny masoko ary farany dia mipetraka fotsiny. RABENJAMINA, Ny mpandinika

3. Sombin-tantara

Lalana mody.

- Ramatoa ô! Ramatoa ô! Efa mahatsiaro moa ianao! - Ahoana izay Randria, hoy Raverohanitra, nivadika indray mandeha. Fa amin’ny firy izao? - - Vao amin’ny dimy izao, fa…lasa ny fisainako eto am-pandriana. Efa tokony tamin’ny efatra maraina aho no taitra kanefa tsy mahita tory intsony hatramin’izao, mieritreritra an’izay… - Ny inona anefa izany e? - Ilay taratasy tonga omaly avy any amin’i Nary zanatsika any Tuléar e! - Ka inona no hampieritreritra anao amin’ny taratasiny? Famangiana dia filazana fa salama tsara sady tamana izy any, ka inona indray no irinao mihoatra an’izany? - Io tamàna io indrindra mantsy no mampieritreritra ahy. Vao tamin’ny herinandro lasa izy no nandefa taratasy nilaza fa sorisorena sy mangingina be ihany tao anatin’ny folo andro taorian’ny nahatongavany tany, kanefa vetivety eo dia hilaza ho tamàna sy finaritra indray! - Ianao ity koa efa mieritreritra be loatra, hoy Ravero. Dia tsara aza raha misy zavatra mahavariana azy ary sa tianao ve izy halahelo sy ho manimanin-dava antsika aty? - Sss ! Hafahafa koa ! Io ihany no tsy mba tiako amin’itony asam-panjakana itony ! Mifindra toerana lava izao ka mahita fomba fiainana tsy fidiny (tsy an-tsitrapo). - Dia tadiavinao ho zaza foana ve ny zanakao? Raha tahaka ahy dia tsara ihany ny mba hahita fiovaovam-piainana ny zanakao; satria tsy ho sarotra intsony izy amin’ny fisetrana ny zava- miseho izay mety ho tampoka. Efa lehibe koa anie izy e! - Vao 22 taona ka lazainao fa lehibe. Raha tsy ny eritreritrao tampoka, marina raha mba navelako handeha any mihitsy iny fa nasaiko niala nanampy ahy amin’ny varotra. 189

- Ny anao kosa io varotra varotra io foana no masaka ao an-dohanao. Lahimatoa tsara fianarana iny ka hajanona amin’izay varotra, avelao mba hanita-tsaina amin’ny asa hafahafa kokoa. - Ka raha sanatria ary lasa (maty) aho. Iza no handimby ahy amin’izao varotra efa mandroso izao? I Naivozandriny koa, he ity izy, mitetika ny hoe mbola hanohy fianarana any andafy raha mahafaka « Baka ». Ifaralahy kely mbola voatavo tsy mifandraka (zaza). Ianao koa tsy hahavita ity varotra ity akory ; ny adidinao eto an-tokantrano aza tsy ho arakao. - Be ahina loatra ianao, Randria, ka io ihany no tsy mampahazo aina anao toy io. Avelao re handeha amin’izao ny fiainana, fa raha hoeritreretinao daholo io mihetsiketsika rehetra, tsy haharaka azy akory ianao, ianao indray no hoenjehiny. - Marina ny anao, Ravero, kanefa ny fitsinjovana ny ho farany, ka tsy azo atao ny manao kitoatoa. Tadiavinao tsy hijery afa-tsy ny eo ambany maso isika kanefa mbola aiza ity làlana ? - Lalana ho aiza anefa, Randria ? - Lalana diavin’ny velona ka lalana ho aiza ? - Ka moa tsy lalana diavin’ny velona, fa mba lazao ahy ny tanjona e ! - Aiza moa no hahitanao izay farany any, fa izany indrindra no hialana. Tsy hivily any an- kady (amin’ny ratsy). Ary ahitsy dieny izao. - Ka hatao ahoana izany ? Hasiana goudron ? hoy Ravero nikakakaka. - Eny ! Hasiana « passage clouté » koa raha mety hoy Randria. - Dia ianao izany no polisy hiambina eo ? - Hotsofiko mihitsy ny sifole, raha vao misy tsy manara-dalàna. - Lazao izay tianao holazaina. - Mbola tanora fanahy loatra i Nary, ary ny lazan’i Tuléar efa henoko ihany. Izao vao nahatakatra (nahalala) Ravero hianatra ka nangina tsy namaly intsony.

* * * *

- Hitanao izao, Ravero ? Tamin’ny 5 ora isika izao no tonga eto Tuléar miandry an’i Nary eto am-baravarany eto. Izao efa amin’ny 9 ora alina mbola tsy miditra ny trano ihany izy. - Koa isika koa anie tsy nilaza mialoha taminy mba hiomanany. Angamba variana (mitafa) miresaka amin’ny namany any izy. - Izany namany izany indrindra mantsy no… - Miandry an’i Mose Nary angaha ianareo, tompoko, hoy ity vehivavy lehibe iray efa nahita hatry ny ela no nipetrahan-dRandria mivady teo ambany lavarangan-tranon’i Nary. - Mba fantatrao, ve tompoko, ny tokony hisy azy amin’izao fotoana izao ? hoy Ravero, toa nangovitra tampoka teo. Ray aman-dreniny izahay, vao tonga avy any Antananarivo izao hariva izao. - Hay ve, tompoko. Faly mahalala anareo aho. Izaho mantsy no tompon’ny trano hofany ity, ary amin’io trano akaiky io ihany aho no mipetraka. Koa dia lazaiko tsotra aminareo ry izy mivady, fa misy fahadisoan-dehibe nataonareo mihitsy tsy nampanambady azy talohan’ny nandehanany taty. Ny hofan-tranoko izao roa volana tsy azo. Ary tsy hita ato an-tranony mihitsy izy fa izao andrasan-dava izao na amin’ny firy na amin’ny firy.

190

* * * *

- Efa amin’ny 1 alina izao, Ravero, ka atao ahoana ? Mbola hiandry eto ihany isika ? Efa nilazako koa ianao velaro ireo bodofotsy ireo hatoritoriana eo amin’ny tany aloha na aroa anaty aotomobilina. - An ! An ! Tsy hahita tory aho akory, fa aoka izao…Fa…jereo hoe, Randria iry amin’ny arabe iry… Aoka tsy ho taitra ny fonao, fa i Nary iny afovoany efa tsy mahajoro tena intsony, fa izy roalahy no mitazona azy. - Maty aho re, Rainay izay any an-danitra ô ! Nanjary mpisotro tokoa ny zanako. - Aiza lehity izany lalana izany â ? - Efa eo akaikin’ny tranon’ialahy izao, ry Nary, aza mibedibedy eo sao henon’ny tompon- tranon’ialahy ka ho avy eo izy. - O ! dray ! dray ! dray !...Nahoana aho no nentin’ialahy aty. An !an ! Tsy te-hody aho. Teren- dRamatoa iny amin’ny hofan-tranony indray. Nefa fantatrareo ihany fa banky aho (tsy manana). Ny trosan’olona aty amiko aza mbola misy dimy arivo. - Adala ialahy. Izaho raha manana ray aman-dreny tremabe manan-karena toa an’ialahy dia manafatra vola foana. - Tsy sahy manafatra any amin-dry Dada intsony aho, fa tsy hitako intsony izay hatao paika â. Efa intelo izay no laingabe vitako, ka tsy mahita faninefany intsony aho. Andao, ento any amin’ny lalan-kafa aho fa aza entina aty, hotahin’Andriamanitra ianareo â ! - Nary ! hoy Randria rainy, nandray azy tamin’ny sorony. Tsy misy hevitra hafa afa-tsy ny mody. - Ary iza izany ? toa feon’i Dada ? Hay kosa tsara fanahy ialahy ko ! Naterin’ialahy taty Antananarivo mihitsy aho. - Tsia, ry Nary, hoy ihany ny rainy, tsy any Antananarivo akory ise, fa mody eto an-tranon’ise eto Tuléar ihany. Jereo ny renin’ise io nitakoko eo am-baravarana io efa hanavy. Ahoana ny hevitr’ise ? Handeha hody izao ankehitriny izao ve izahay satria ny fiarakodiantsika io efa miandry ary afaka mody any Antananarivo izao alina izao. Sa…hovohana ny tranon’ise, ka hody ise…ary hiresaka milamina isika ?... Kanefa mampiomana an’ise aho, fa tsy mody any an-trano fotsiny fa mody amin’ny fahendrena koa. - Vohay ny tranoko, ry Dada sy Neny, fa hody aho.

ENER LALANDY, Septambra 1968

SORITSORITRA MOMBA NY BOKY

Anarana sy fanampin’anarana : HOLIARIMAHANINA Rosina

Lohateny : Ny endriky ny fampianarana ny taranja malagasy araka ny nahitana azy tao amin’ny Sekoly Akanin’ny Marenina ao 67 Ha, Sekoly Ambaratonga faharoa, Dingana faharoa.

Takila : 186 Fafana : 19 Sary : 5 Kisary : 5

FAMINTINANA Manan-jo hobeazina tahaka ny olom-pirenena rehetra ny marenina. Ny fahatsapan’ny Misionera noriveziana izany no nahatonga azy ireo nanorina ny sekoly ho an’ny marenina teto Madagasikara ny taona 1950. Natolotra ho tantanan’ny Fiangonana Loterana Malagasy ny sekoly ny taona 1974 ary ny asa fanohanana no iandraiketan’izy ireo mandraka ankehitriny. Manaraka ny fandaharam-pianarana navoakan’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena ny sekoly Akanin’ny Marenina. Ny tenin’ny Tanana anefa no entin’ny marenina miserasera sy manovo fahalalana noho ny tsy fahatomombanana ara-batana mihatra amin’izy ireo. Araka izany, mitaky finiavana sy faharetana ary fikirizana amin’ny mpampianatra amin’ny fampianarana ny marenina. Antenainay fa hanampy azy amin’ny andraikitra masina noraisiny ny voka-pikarohana toy itony, ka hahafahany manatsara hatrany ny fomba fampianarany.

RESUME Les sourds ont le droit de s’instruire comme tous les citoyens. C’est pour cela que les missionnaires norvégiens ont inauguré des écoles adaptées pour eux à Madagascar dans les années 1950. A partir de 1974, ils ont confié la direction de ces établissements scolaires à la Fiangonana Loterana Malagasy, sans pour autant cesser de les soutenir. A cause de leur handicap, les sourds utilise le langage gestuel comme moyen de communication et comme outil d’apprentissage. Pourtant, l’école des sourds suit le programme officiel établi par le Ministère de l’Education Nationale. De ce fait, l’enseignement des enfants sourds exige plus de volonté, de patience et des sacrifices de la part des enseignants. Nous esperons que ce mémoire les aidera dans l’accomplissement de leurs nobles tâches.

Abstract Like all citizens, teh deaf have the right to teach and to educate. That’s why the norvegians missionary inaugurate adapt schools in Madagascar for them in years 1950. They have entrused the school under-warel of the Lutheran church in Madagascar the year 1974 and yet they support the action until now a days. The school for the deaf follows the current school programm to shools in Madagascar. It uses current sign language asa à means of communicatio and learning tool. Learning the deaf will need patience and sacrificies because of their handicap. This memory is established to help, and bring them to advances their learning methods.

Mpampianatra mpitarika : ANDRIAMANATSILAVO Seth Maitre de conférences