izay tena miroborobo, izay miasa mibanjina ny tena lavitr’ezaka ka mametraka ny tanjona faharetana eo amin’ny asany. Mba hialana, Ry mpamaky hajaina, ohatra fotsiny, amin’ny fidinan’ny kalitao, ny vokatra rehetra vokarin’ny ADES dia iantohana ny faharetany mandritry ny telo Rafitra mijery ny ho avy taona. Izahay dia nametraka fanamby tena mampazoto fo sy goavambe. Ho ADES dia mitombo hatrany isan-taona ary zary lehibe hamafisintsika ireo andry telo amin'ny famokarana fatana mitsitsy, tokoa izy amin'ireo samy fikambanana tsy miankina, ahitana mpiasa hampitomboina koa ny fiofanana momba ny tontolo iainana sy ny miisa 140 ao anatina sampan’asa telo lehibe : famokarana sy varotra fambolen-kazo, na eo amin’ny hatsaran’ny kalitao izany na eo fatana mitsitsy, fanentanana ny mponina momba ny tontolo iainana amin’ny habetsahan’ny vokatra. Ny rafi-pitantanana vaovao amina sehatra maro ary fambolen-kazo. Ny fanamafisana ireo iarahanay sy i Alain samy ho Tale dia hampitobina tsara ny ADES. sampan’asa telo ireo tsirairay avy dia nitaky ny fanamafisana ny Izaho dia hifantoka indrindra amin'ireo lafiny ara-teknika: famokarana, rafi-pitantanana. Izany no nahatonga ny fisian’ny Tale roa ao lojistika sy fampiroboroboana ny vokatra sy ny varotra, ny fanarahana amin’ny ADES Foibe Nasionaly , nanomboka tamin’ny ny entona CO2, ny fanaraha-maso ny an-tsasak’ireo ivotoerana volana jona 2018, izay mizara ny andraikitra fitantanana ny ADES ary ny fambolena hazo. fikambanana ADES eto Madagasikara. Ny editorialintsika amin’ity Mbola mijanona ho mahaliana hatrany ireo asa ireo, miovaova izy gazety ity dia maneho io fiaraha-mitantana io ary fitsinjaran’ny ireo ary mitaky fomba fijery ara-teknika avo lenta sy lamina maty andraikitr'izy ireo amin’ny antsipiriany. paika. Eto am-panombohana dia te-hanamarika etoana ireo Tale Koa mino sy manantena isika fa ny voka-pifidianana amin’ny roa fa ny lamina vaovao dia ahazoana tombony mihoatra lavitra filatsahana ho Filoha izay natao vao tsy ela izay dia tsy hisakana ny noho ny fampitomboana fotsiny ny isan’ny Tale. Ny fametrahana ny ezaka hatao. fitoviana lenta an’izy mirahalahy eo amin'ny fitantan-draharaha dia : * Manamafy ny fisehoan'ny ADES ivelany eo amin'ny sehatry ny fampandrosoana, amin'ny fisiana solontena roa. * Hampitombo ny fahaiza-mitantana tetikasa ary ny fahaiza-mamolavola hevi-baovao hanampiana ny asa ho an'ny fampandrosoana, noho ny fampitambarana traikefa azo avy tamina sokajin’asa samy hafa niandraiketan’izy roa lahy. * Hanatsara sy hanamafy ny fifandraisana sy fifanakalozana efa misy eo amin’i Soisy sy i Madagasikara. * Hanohana bebe kokoa ny fomba fiasan’ireo mpiandraikitra fehezin’ny tsirairay avy ary koa fanarahana akaiky ireo Alain WASSERFALLEN sampan-draharaha tantanina amin'ny alalan’ny fampizarana asa.. Hatramin'ny niaviako tamin'ny tapaky ny volana jona dia * Hahafahana mizaha antsipiriany ireo rohin'asa misy ato amin'ny miha-mahafantatra ny ADES amin'ny lafiny maro aho ary mahita ADES ka hamantarana ireo mitaky fanatsarana manokana. lamina asa amina fomba maro izay nahatonga ity fikambanana ity ho * Miantoka ny fisoloan-toerana samy Tale raha misy ny tsy tsy manam-paharoa. Loharanon-kevitra lehibe ho ahy ny fianteherana maha-eo ny iray, izay manamora ny fandraisana fanapahan-kevitra amin'ireo zava-bita mba hahatratrarana tanjona vaovao. Fantatro sy ary koa mba ialana amin’ny fikatsoan-draharaha eo amin’ny ankasitrahako ny fametrahana ny fizarana andraikitra napetrak’i fitantanana amin’ny ankapobeny. ADES eto amin’ny Foibe Nasionaly. Hitako fa hitondra fahombiaza- na izany ho an'ny fandaminana ny asa. Ny andraikitra lehibe ho sahaniko indrindra dia ny fitanta- nam-bola sy ny fitadiavana famatsiam-bola eto an-toerana, ny fitan- tantana ny mpiasa sy ny fanofanana azy ireo, ny fampianarana sy ny fifandraisana, ary koa ny fanaraha-maso ny antsasak’ireo ivotoerana ADES hafa. Madagasikara dia tany isiana natiora matanjaka tsy handà ny mbola hiroborobo sy hivelatra, raha toa izy ka avela hanao izany am-pikendrena ny fihenan'ny tsindry eo amin'ny tontolo iainana. Dagobert FRÖBEL Fanamby ho raisiko an-tsitrapo tokoa izany.. Vao herintaona mahery kely monja taorian'ny nahatongavako teto Madagasikara dia tsy nisy andro tsy nahitana zavatra maro tsy ampoizina. Matetika dia zava-mahatalanjona mahafinaritra sy sarobidy, indraindray koa zavatra mety manahiran-tsaina na mampalahelo. Ny hatsaram-panahin'ny mpiara-miasa ary ny fahalianan'izy ireo hivoatra dia mahafaly ny fo manahaka ny fisian’ireo rafitra mivantana sy Ny Tale Nasionaly ny fifandraisana mivelatra eo anivon’ny ADES. Izany dia Ny Tale Nasionaly manan-danja tokoa satria ny ADES dia fikambanana tsy miankina

1

ADES ANTANANARIVO Mpaninjara fatana mitsitsy eto Antananarivo Fizahana takila Anisan’ny vahatry ny varotra eto Antananarivo ny varotra izay ataon’ny mpaninjara fatana ADES. Ankoatra ny serasera ara-barotra dia manokana andro iray Editorialy ………..………………………………………………………..01 hifanakalozan-kevitra sy hifampizarana traikefa amin’ny Mpaninjara fatana mitsitsy eto Antananarivo.……………...……...... 02 ekipa ADES Tana sy ny avy any amin’ny ADES Foibe Nasionaly izy ireo. Raha ny taona 2018 no atao jery todika: Fiaraha-miasa tamin’ny E pak fir:/Santa Lucia…...... 02 dia ny 76.68 % ny fatana voazara dia avy @ ezak’izy ireo Tari-dalana ho an’ny mpianatra……………………………....………..03 avokoa. Izany dia taorian’ny nandefasana ny rakitsary Foara momba ny Fambolena tao amin’ny Kaominina Beroy, momba ny ADES tamin’ny Fahitalavitra nasionaly TVM. Hitantsika etsy ambany ny sarin’ny fampitahana sy , Distrikan’…...……………………….…...03-04 fahandroana amin’ny fatana mitsitsy sy toko vy niaraka Ireo ONG mpitsidika ny Centre vert ADES ……….………...... 04 tamin’ireo mpaninjara Tsy mitsahatra mivoatra ny toerana famokarana fatana mitsitsy OLI...... 05 Fampisehoana horonan-tsary ADES: nahomby ny fanombohana……………………………………………………...…05-06 Fiaraha-miasan’ny ADES – HERI Kiosk…….………………….….....06 Foara ANKOLAGNY VI………..……………….…………….…...... 06-07 Andro maneran-tany hoan’ny tontolo iainana tao Andasibe- Moramanga……………..………………………………………………..07 Fiaraha-miasa tamin’ny Epak fir/ Santa Lucia Fankalazana ny faha-10 taonan’ny ORTALMA tao Ambatondrazaka………………………………………………………...08 Anisan’ny fiaraha-miasa niarahana tamin’ny Epak fir ny Foara TANGOROGNA Ambatondrazaka…………….…………..…..08 fanentanana an- tsekoly tao amin’ny Santa Lucia. Nandritra izany dia nisy fampianarana nahandro amin’ny fatana Fiaraha-miasa tamin’ny Energy Kiosk Alaotra Mangoro…..…….08-09 masoandro. Nahatsapan’izy ireo fa mahamasaka sakafo Ny fety nahafinaritra, ny asa koa haharitra……..………………...…..09 tsara ny masoandro ary mitahiry otrikaina sy mitazona tsiron Ndao hanatevina sy hiaro ny ala honko……..……………….……….10 -tsakafo bebe kokoa ny fatana masoandro. Miaro ny tontolo Andro iraisam-pirenena ho an’ny ala honko taona 2018…...……10-11 iainana sady manondrotra ny fari-piainana’ny fianakaviana Andro iraisam-pirenena ho an’ny tontolo iainanana taona 2018..11-12 satria tsy mandany vola ary tsy mandoto ny tontolo iainana. Fandraisana ny Tale Nasionaly sy ny Filohany ADES vaovao ……………………………………………………………………...12-13-14 Andron’ny tontolo iainana tao amin’ny Zoo ny Zurich ……….....14-15 Tsenan’ny lohataona 2018 tao Affoltern am Albis…...……………....15 Lalao ………..……….………………………………………...….……...15 Adiresin’ireo Ivotoerana ADES……..………………….……………….16 Valiny lalao ………………………..………………………………....…..16 Fisaorana.……………………………..…………………….…...………16

Fahandroana tamin’ny fatana masoandro

RAZAFINDRAMORA Marguerite 2

ADES ANTSIRABE

Tari-dalana ho an’ny mpianatra

Nikarakara hetsika iray ho fitarihana ny mpianatra hanomana ny hoaviny ny Lycée André RESAMPA eto Antsirabe, ny 23 Martsa 2018. Nandray anjara tamin’ity hetsika ity ny ADES Antsirabe ka nanentana ireo mpandray anjara, ary nanao izay hahatonga saina ny tsirairay handray an-tanana ny fiarovana ny tontolo iainana.

Fanazavana ny fomba fampiasana ny fatana masoandro tamin’ireo mpianatra

Nohazavaina tamin’ireo mpitsidika ny asa aman’andraikitra sy ny tanjona tratrarin’ny ADES, zay narahana fampisehoana nahandro amin’ny alalan’ny fatana masoandro. Nahatratra hatramin’ny 3000 ny mpitsidika, ka nahitana ireo Ray Aman-drenin’ny mpianatra, mpiasa avy amin’ireo orinasa maro (COTONA, BFV, SOCOTA,…), ary ireo manam-pahefana avy amin’ny fampianarana (DREN,CISCO) izay tonga nanatrika ny hetsika.

Fitsidihan’ireo manam-pahefana avy amin’ny fampianarana ny tranoheva ADES izany hitantsika amin’ny sary izany

ZAFITIANA Luanà Félicie

ADES EJEDA

Foara momba ny Fambolena tao amin’ny Kaominina Beroy, Vohitany sy Gogogogo Distrikan’Ampanihy

Notanterahana tao amin’ireo Kaominina telo Beroy, Vohitany sy Gogogogo ao anatin’ny Distrikan’Ampanihy ny 24 ka hatramin’ny 26 Aogositra 2018 lasa teo ny Foara momba ny Fambolena, izay nokarakarain’ny Tetik’asa “ASOTRY/ LAND’OLAKES”, notronin’ny Talem-paritry ny Fambolena sy Fiompiana (DRAE) Atsimo-Andrefana sy ny Lehiben’ny Distrika Ampanihy. Varotra sy fampiratiana, fizarana sy fifanakalozana traikefa teo amin’ireo mpandray anjara (ONGs na Fikambanana,..) mpiara-miombon’antoka amin’ny Tetik’asa « ASOTRY », ny tantsaha ary ny olon-tsotra mpitsidika ireo tranoheva rehetra no tanjona tamin’io hetsika io.

3

Nandray anjara tamin’izany ny ADES Ejeda ka nampiranty ny vokatra vokariny : Fatana masoandro, fatana mitsitsy ary ireo karazan-jana-kazo. Tratra ny tanjona amin’ny ankapobeny satria manodidina ny 250 ny isan’ny mpandray anjara sy ny mpitsidika avy amin’ireo Kaominina liana amin’ny vokatry ny ADES indrindra fa ny sehatra fambolen-kazo. Zana-kazo 90 isa sy fatana 11 no lafo; mbola maro no nitady fa saingy tsy naharaka ny vokatra nentina.

Fitsidihan’ireo manam-pahefana ny tranoheva ADES Mpitsidika mividy zana-kazon’ny ADES

Ireo ONG mpitsidika ny Centre vert ADES Ejeda

Manoloana ny asa fiarovana ny tontolo iainana izay iandraiketan’ny ADES : fanaparitahana fatana masoandro, fatana mitsitsy ary fambolen-kazo, dia maro ireo ONG sy ny Fikambanana liana amin’izany no tonga mitsidika ny Centre Vert ADES. Isan’izany ny Fikambanana Italianina « V.I.M » (Volontari Italiani in ) miasa eto Madagasikara, tarihin’ny Filoha nasionaliny tonga nitsidika ny Centre Vert Ejeda ny faha 12 jolay 2018 lasa teo, izay tena liana mafy tamin’ny Fatana masoandro sy fatana mitsitsy vokarin’i ADES, noho izy ireo miahy asa sosialy sy ny fiarovana ny natiora. Eo ihany koa ny tetik’asa « Fanantenana » izay tohanan’ny AVSF (Agronomes Vétérinaires Sans Frontières) ao Betioky sy Tsihombe, ny MDP Toliara izay notarihin’Andriamatoa Ruffin, Talen’ny MDP sy Andriamatoa Rivo Assistant Nasionalin’ny Tetik’asa « Fanantenana » miaraka amin’ireo teknisiana miisa 40 nitsidika sy nifampizara traik’efa tamin’ny ADES Ejeda, ary mbola hametraka indray ny fitohizan’ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatra fambolen-kazo aty amin’ny Faritra atsimo.

Fitsidihana ny ADES Ejeda nataon’ny Filoha Nasionalin’ny Fitsidihan’ireo teknisianinan’ny Mdp Toliara sy Tetikasa V.I.M. Niaraka tamin’ireo ekipan’ny ADES Ejeda « Fanantenana » AVSF Betioky/Tsihombe ny ADES Ejeda

ANDRIANANTENAINA Loubien 4

ADES FIANARANTSOA

Tsy mitsaha-mivoatra ny toerana famokarana fatana mitsitsy OLI ADES

Maro amin’ny Malagasy no efa mahatsapa ny novolavolaina hanatontosana izany: milina lehibe telo voka-dratsy aterakin’ny faharipahan’ny ala amin’ny lafiny afaka mamokatra hatramin’ny 150 fatana isan’andro no maro, hita fa tena marefo ny fahasalamana ary mamolavola ny tanimanga ankehitriny raha natao tamin’ny mitotongana ny fari-piainana ; izany no mandresy lahatra tanana izany teo aloha, nanangana lafaoro fahandroana azy ireo hampiasa ny fatana mitsitsy OLI vokarin’ny tanimanga moderina ihany koa izay mahatratra ADES. Voaporofo izany amin’ny fitombon’ny isan’ny hatramin’ny 800° ny hafanany ary antonona fatana fatana naparitaka eny anivon’ny fiaraha-monina, miisa hatramin’ny 1.100 isa. 29.994 ny taona 2016 ary 36.776 ny taona 2017, efa Tsy mitsahatra manavao sy manatsara ny teknika 33.370 ny volana Septambra 2018 lasa teo. ary ny fomba entina mamokatra fatana ny ADES mba Mba hahafahana mamaly izany filàna tsy hampitomboana isa sy hanatsarana ny kalitaon’ny fatana mitsahatra mitombo izany no nahatonga ny ADES vokariny, ary indrindra ho fiarovana azo antoka ny ala eto nanitatra tsikelikely ny toeram-pamokarana fatana mitsitsy Madagasikara. OLI ho amin’ny sehatra indostrialy. Maro ny tetik’asa

Milina fanamboarana fatana OLI Lafaoro fahandroana tanimanga OLI maoderina

Fampisehoana horonan-tsary ADES: nahomby ny fanombohana

Ny volana Jona 2018, ny ADES Fianarantsoa no nanomboka ny fampisehoana horonan-tsary mahakasika ny ADES. Nahazo tombotsoa tamin’izany ny mponina ao Fianarantsoa tampo-tanàna, Ambohimahasoa, Nosy Varika ary Vondrozo.

Nisy ny fiaraha-miasa akaiky tamin’ireo manam-pahefana tany an-toerana, ka nahatanteraka an-tsakany sy an-davany izao fampisehoana horonan-tsary natao izao. Betsaka ny olona tonga nijery (izay miisa 150 farafahakeliny). Fandefasana horonan-tsary tao Vondrozo 5

Nifantoka tsara tamin’ny votoatin’ny horonan-tsary izy ireo ary talanjona nahita ireo hetsika ataon’ny ADES ho fiarovana ny tontolo iainana.

Fivarotana fatana masoandro sy fatana mitsitsy OLI no ahafantaran’ny rehetra ny ADES amin’ny ankapobeny, fa amin’ny alalan’ny fandefasana horonan-tsary tahak’izao no ahalalan’ny olona bebe kokoa ny asa maro sahanin’ny ADES hiarovana ny tontolo iainana.

Fandefasana horonan-tsary tao Nosy Varika BARINIRINA Cécile

ADES MAHAJANGA

ADES – HERI Kiosk

Nandritra iny volana jolay iny no nosokafana tamin’ny fomba ôfisialy taty amin’ny faritra manodidina ny Mahajanga ny HERI KIOSK, izay hamatsy jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro ny mponina. Ho marikin’ny fiaraha-miasa dia nanatrika izany fanokafana izany ny solontenan’ny ADES Mahajanga. Tamin’izany fotoana izany indrindra no nitondrana fanentanana sy fanazavana mahakasika ny ADES ary ny tanjona tratrariny : dia ny fiarovana ny tontolo iainana ka nanehoana ireo fitaovana vokariny. Mba ho fitohizan’ny fiaraha-miasa hatrany sy ho famatsiana ny mponina any an-toerana dia nanaiky ny hivarotra ireo fatana mitsitsy ADES ny teknisianinan’ny HERI KIOSK any Anjiajia, Andranofasika ary Tsararano Marovoay.

Fitokanana ny HERI KIOSK Amboromalandy Fitokanana ny HERI KIOSK Anjiajia

Foara ANKOLAGNY VI

Toy ny fanao isan-taona dia natao tamin’ny faha 24 – 25 ary 26 aogositra 2018 ny foara Ankolagny andiany faha- enina. Ny faritra Befandriana no nandray izany. Nandritra izany fotoana izany dia nidina tany an-toerana ny ekipan’ny ADES Mahajanga ary nandray anjara tamin’ny hetsika fanentanana sy fampirantiana ireo fitaovana izay vokariny.

6

Hita sy tsapa tamin’izany fa tena nahaliana ny mponina tany an-toerana tokoa ireo fatana mitsitsy ADES taorian’ny fahampafantarana ireo tombontsoa azo amin’ny fampiasana azy. Teo am-pamaranana dia nahampafantarina ny olona mpitsidika ny toerana hahitana ireo olon-tsotra mpivarotra fatana ADES any amin’iny faritra iny.

Tranohevan’ny ADES tao Befandriana

FANOMEZANTSOA Rolando Paul

ADES CENTRE MOBILE

Andro maneran-tany hoan’ny tontolo iainana tao Andasibe-Moramanga

Nankalazaina tao Andasibe-Moramanga (toeram-pizahan-tany fantatr’izao tontolo izao) ny andro maneran-tany hoan’ny tontolo iainana, ny faha 22 jiona 2018. Nanamarika ny fankalazana izany andro izany niaraka tamin’ireo mpianatra ny avy ao amin’ny « Office National du Tourisme ». Ny tanjona dia ny fikajiana ny tontolo iainana. Tonga nanatevin- daharana sy nanentana ny mponina tany an-toerana ny ADES ao amin’ny ivotoerana mifindrafindra (ADES Centre Mobile) mba ho fikajiana ny valan-javaboary izay manintona mpizahatany any amin’iny toerana iny.

Fankalazana ny andro maneran-tany hoan’ny tontolo iainana tao Andasibe

7

« Festival » faha 10 taonan’ny « ORTALMA tao Ambatondrazaka

Ny 5-6-7-8 jolay 2018 no nankalazana ny « Festival » faha– 10 taonan’ny « ORTALMA » (Office Regional du Tourisme Alaotra Mangoro) tao Ambatondrazaka. Tonga nanatrika izany hetsika izany tany an-toerana ireo manam- pahefana maro, izay notarihan’Andriamatoa RABETSIANDRAOFANA Jean Brunel, Minisitry ny fizahantany. Satria tsy afa-misaraka ny tontolo iainana sy ny fizahantany, ary ho fanamafisana ny fiaraha-miasa dia nandray anjara tamin’io hetsika io ny ADES ivon-toerana mifindrafindra (ADES Centre Mobile).

Fankalazana ny faha -10 taonan’ny ORTALMA Ambatondrazaka

Foara TANGOROGNA Ambatondrazaka

Tamin’ny foara « TANGOROGNA » andiany faharoa tao amin’ny faritra Alaotra Mangoro, ny faha 25-30 jolay 2018 tao Ambatondrazaka, nanokatra tranoheva nanentanana sy nampirantiana ny fatana mitsitsy ny ADES Centre Mobile. Nahasarika olona maro izany ary nahatratra tokantrano 1000 mahery no nanjifa ny fatana mitsitsy ADES.

Foara TANGORONA Ambatondrazaka,

Fiaraha-miasa tamin’ny Energy Kiosk Alaotra Mangoro

Isan’ny nahitam-pahombiazana ihany koa ny fiaraha-miasa tamin’ny mpiara-miombon’antoka vitsivitsy : Energy Kiosk Alaotra Mangoro na fantatra amin’ny anarana hoe Heri Kiosk teo aloha (Amboasary Gare, Bejofo, Andreba Gare), ny Briquette Mitsinjo (mpanamboatra saribao mitsitsy vita amin’ny akofam-bary). Nararaotina tamin’ny Foara Tangorogna nokarakarain’ny faritra Alaotra Mangoro ny fampirantiana ny fatapera mitsitsy vokarin’i BIONERR, noho ny fiaraha-miasa akaiky iombonan’ny ADES sy BIONERR. 8

Ekipan’ny ADES manome fiofanana ny ekipan’ny Fampirantiana ny fatapera mitsitsy vokarin’i Energy Kiosk hivarotra ny fatana mitsitsy . BIONERR sy ny saribao mitsitsy .

TSINIFERANA Mahatoky Grégoire sy Brunel Obin

ADES MORONDAVA

Ny fety nahafinaritra, ny asa koa haharitra

Amin’izao akatokin’ny faha-10 taonan’ny ADES Morondava izao, dia nanao varotra arahina fanomeza-doka ho an’izay tsara vintana ny ADES Morondava. Satria ao Morondava tampon-tanàna no misy ny biraon’ny ADES dia tao no nanaovana ny fanokafana ny fankalazana, ka nanasana ireo tompon’andraikitra ara-panjakana vitsivitsy sy ireo orin’asa tsy miankina misehatra amin’ny tontolo iainana. Nandritra izany fotoana izany dia nisy ny fahandroana sakafo tamin’ireo fatana masoandro, fampitahana ny nahandro sy ny fandaniana kitay sy saribao eo amin’ny fatana mitsitsy ADES sy ny fatapera sy tokotelo vy, izay nahazatra antsika hatramin’izay, fanandramana ireo sakafo masaka avy tamin’ireo fatana izay voalaza. Teo ihany koa ny varotra fampirantiana ny fatana rehetra izay vokariny ADES ka izay mividy fatana iray dia manao an-tsapaka, raha tsara vintana izy dia mahazo fahatsiarovana araka izay nomerao vaotsabony tao. Rehefa vita ny tao Morondava dia tsy nataon’ny ekipa latsa-danja ny amin’ireo distrika efatra (4) hafa ao amin’ny faritra Menabe ka notetezina daholo ary samy nanaovany an’ilay varotra arahina loka ho an’izay tsara vintana avokoa. Hita fa tena nahomby ny hetsika natao ary izahay nahatsapa fa ny fiara-mientantsika hanatontosa tsara ny adidy aman’andraikitra izay nankinina tamintsika no hapaharitra ny fisian’ny ADES.

Fanandramana ny sakafo Mpanjifa nahazo fahatsiarovana 9

Ndao hanatevina sy hiaro ny ala honko

Mitahiry harena voajanahary maro ny ala honko noho izy toeram-ponenan’ny foza(drakaka) sy fanatodizan’ny makamba ary ireo hazandrano maro samihafa. Miaro ny sisin’ny morontsiraka sy miantoka ny fiveloman’ny zava- sy ny zava-manan’aina maro. Noho izany, ny andro iraisam-pirenena ho an’ny ala honko dia natokana ho fanatevenana izany tao amin’ny fokontany Kimony teto Morondava. Izay nanasan’ny WWF mpikarakara, ireo mpisehatra amin’ny tontolo iainana rehetra sy ny mponina teto an-toerana. Nanatrika sy nanatanteraka izany ny ekipan’ny ADES Morondava izay nahita ny fandraisana anjara mavitrik’ ireo izay nasaina rehetra ka nahavoavoly zanaka magrove miisa 20 000. Tsara raha tohizana amin’ny faritra hafa izay voakasika izany eto Madagasikara ity hetsika ity.

Fizarana honko ho volena Fambolena honko tao Kimony

RASOARIMALALA Ymelda Ella

ADES TOLIARA

Andro iraisam-pirenena ho an’ny ala honko taona 2018

Tamin’ny 26 jolay 2018 dia nankalazaina tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Befandefa Distrikan’i ny andro iraisam-pirenena ho an’ny ala honko tato amin’ny Faritra Atsimo Andrefana. Anisan’ny nandray anjara tamin’izany ny Ivon-toeran’ny ADES Toliara.

Tranohevan’ny ADES Toliara

10

Ny ONG Blue Ventures sy ny DREEF Atsimo Andrefana no nanomana sy nikarakara izany lanonana izany. Natomboka tamin’ny fitsidihana ireo tranoheva ny lanonana. Ny : ADES, GIZ PAGE/ECO, EOSOL, BLUE VENTURES no nampiranty ireo asany. Nanome voninahitra ny lanonana ny Ambasadaoron’ny Grande Bretagne. Ny ekipan’ny ADES sy ny PAGE/ECO GIZ dia samy nampiranty ireo fatana mitsitsy vokariny. Rehefa vita ny fitsidihana ireo tranoheva dia niroso tamin’ny kabary nifandimbiasana ireo Manampahefana. Fambolena honko tao Befandefa

Taorian’izay dia niaraka namboly honko tany amin’ny 2 kilaometatra atsimon’ny Befandefa ny mpandray anjara rehetra. Ny hariva dia nofaranana tamin’ny fandefasana sarimihetsika fanentanana momba ny tontolo iainana ny lanonana ka anisan’ny nalefa tamin’izany ireo sarimihetsika mikasika ny ADES sy Blue Ventures

Andro iraisam-pirenena ho an’ny tontolo iainanana taona 2018

Ny ekipan’ny ADES Toliara dia nandray anjara tamin’ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny tontolo iainana, izay natao tany ho an’ny Faritra Atsimo Andrefana, ny faha 04, 05 ary 06 jona 2018 teo. Ny lohahevitra ho an’ny taona 2018 dia « Ady amin’ny fiparitahan’ny etona maloto avy amin’ny plastika ». Niangavy ireo mpandray anjara rehetra ny DREEF Atsimo Andrefana mba hitondra izay zakany amin’ireo sokatra miisa 10 000, izay tratra tao an-tranona mpivarotra an-tsokosoko ka nentina tao amin’ny Village des tortues ao Mangily mba hotsaboina; ary haverina any amin’ny Parc National de Tsimanampetsotse. Sokatra miisa 165 no afaka nentin’ny ADES tamin’izany.

Fahatongavana tao Lavavolo Itampolo nitondra Ireo sokatra notaterina ireo kesika feno sokatra

Ny andron’ny 05 jona no natokana ho an’ny fankalazana amin’ny fomba ofisialy. Tsy tanteraka ny fitsiponana ireo fako plastika teny amoron-dranomasin’i Itampolo nohon’ny firotsahan’ny orana. Tamin’io andro io ihany dia nisy ny adi-hevitra mikasika ny fiarovana ny tontolo iainana izay niarahana tamin’ireo Manampahefana isan-tsokajiny sy ireo mpandray anjara rehetra.

11

Ny andron’ny 06 jona kosa dia natokana ho fitsidihana ny Parc Tsimanampetsotse. Na dia teo aza ny orana dia afaka nitsidika ny Parc sy ny Farihy Tsimanampetsotse ka nahita ireo zavaboahary toy ny Baobab, sokatra, gidro sy ny maro tsy voatanisa ny mpandray anjara rehetra.

RAZAFIMANARANTSOA Andriamifidy

ADES FOIBE NASIONALY

Fandraisana ny Tale Nasionaly sy ny Filohany ADES vaovao

Ny faha 15 jona 2018, ny ADES Foibe Nasionaly dia nandray tamin’ny fomba ofisialy ny Tale Jeneraly ny ADES Soisy sy Madagascar Ramatoa Rita BACHMMAN sy ny Tale Nasionaly vaovaon’ny ADES eto Madagascar Andriamatoa Alain WASSERFALLEN. Tonga teto Toliara Ramatoa Regula OCSHNER, mpamorona ny ADES, nametraka ireo olona roa manan-daja tokoa amin’ny ADES ireo. Ramatoa Regula dia nanokana ny androny tamin’ny fitantanana sy fikarakarana ny ADES nandritra ny 18 taona. Tonga ny fotoana hialany sasatra ankehitriny koa dia natolony an’dRamatoa Rita BACHMMAN ny andraikitra. Tsara ho tsahivina fa io Ramatoa io no Renin’i ADES, satria izy no vy nahitana sy angady nananana ny ADES. Izy no namorona ny ADES sy nanao izay fomba rehetra hampiroboroboana sy nahatonga ny ADES amin’izao toerana misy azy ankehitriny izao. Izahay ekipan’ny ADES rehetra dia misaotra azy namorona sy nampandroso io Fikambanana tsara io, izay miaro ny ala eto Madagasikara. Niaina tantara mahafinaritra izahay niaraka taminy ka tsy hanadino izany.

Lanonana nandraisana ireo vahiny

12

Misaotra an-dRamatoa Rita ihany koa izahay noho ny fanekeny handray ny andraikitra maha Tale Jeneraly, satria tena andraikitra mavesatra izany, na any Soisa na eto Madagasikara. Manantena izahay fa ny tsikiny malefaka sy ny fahavitrihany dia hanampy antsika hitarika amin’ny fanatontosana ny asa atao ato amin'ny ADES. Torak’izany koa, izahay dia misaotra an’Andriamatoa Alain WASSERFALLEN, Tale Nasionaly vaovaon'ny ADES Madagasikara, noho ny nanekeny hitana ity toerana ity, hitantana sy hitarika antsika isan'andro. Mirary anareo hahaleo sy hahalasana ny adidy izay iantsorohanareo, Miarahaba anareo tonga soa ato anatin’ny fianakaviamben'ny ADES. Ireo sary etsy ambany dia mampiseho antsika ny Fandraisana azy ireo teto amin’ny ADES Nasionaly Betanimena Toliara.

Fandraisana fitenenana nataon’ireo vahiny

Ireo fanomezana natolotra ireo vahiny

Dihy afindrafindrao nanokafana ny lanonana

13

Fanapahana mofomamy niarahan’ireo Tale roa mpitantana ny ADES Madagasikara: Atoa Alain WASSERFALEN sy Atoa Dagobert FRÖEBEL

Ireo mpiara-miasa niara nilanonana tao amin’ny ADES Foibe Nasionaly Betanimena

RASOANIRINA Oméga

ADES SOISY

Andron’ny tontolo iainana tao amin’ny Zoo ny Zurich

Indray mandeha, tao amin'ny " Going wild!" ao amin’ny Zoo ny Zurich ny 1 sy 2 ny volana septambra 2018, no notanterahina ny andron’ny tontolo iainana fanao isan-taona, tamin’izany no nanehoan’ireo mpisehatra miaro ny natiora sy ny asany avy. Noharahaotin’ny ADES io hetsika io nisarihana ny sain’ny olona hahafantatra ny fahasimban’ny tontolo iainana aty Madagasikara. Ny ADES dia nanokatra tranoheva iray teo akaikin'ny fidirana tao amin'ny efitrano lehiben’ny Masoala. Ireo mpitsidika dia afaka nijery lapoaly nentim-paharazana Malagasy, ary koa ny fatorana kitay, maneho ny fandaniana kitay isan'andro. Narantin'ny ADES tamin’izany koa ireo karazana fatana mitsitsy kitay sy saribao ary ireo fatana mandeha masoandro vokariny. Nankasitrahan’ireo ankizy ny kilalao “gyroscopique”, izay nisarika azy ireo hisaina ny amin'ny fandringanana ny ala. Teto ny ADES dia nahazo dera noho ireo famaritana hevitra tsara ataony.

14

Kilalao Mitsivalana : 1. Angovo maitso azo avy amin'ny fanotrehana zavamaniry amin’ny toerana tsy tafiditry ny oksizenina. Antsoina koa hoe " méthanisation». Tafiditra ao amin'ny angovo azo havaozina, ka sokajiana ho "angovo biomass", miaraka amin'ny masoandro, angovo azo amin’ny rano, rivotra sy sns„ . 2. Karazana gidro tena mivoatra indrindra, manana vava somary fohifohy raha oharina amin’ireo gidro namany. Mihinana ravinkazo sy voankazo, ka ny mampiavaka azy dia izy tsy misotro rano mihitsy satria efa mahazo rano avy amin’ireo voankazo, ravinkazo sy ny ando maraina amin’ny ravinkazo. Miaina anaty ala maina any amin'ny faritra avaratra andrefan'i Madagasikara. Milanja eo amin’ny efatra kilao eo ho eo. Antsoina hoe "Lemurien danceur" Tranohevan’ny ADES tao amin'ny " Going wild ! " ao noho ny fandehany miavaka sy samy hafa tanteraka amin'ny gidro amin’ny Zoo ny Zurich rehetra, mitsambikina sy mihodina kely, ary mampakatra sandry ambony mba ahafahany mitsangana. Afaka mitsambikina 6 m Tsena lohataona 2018 tao Affoltern am Albis mahery izy rehefa mifindrafindra amin’ireo hazo ao anala. Mivondrona maromaro eo amin’ny 3 ka hatramin'ny 10 izy no Ny alahady faha-11 martsa, alahady maitso, ny miaraka. Sokajiana ho fianakavian'i “INDRIDAE ”. tsena lohataona malaza dia natao tao Affoltern am Albis. 3. Karazana gidro miloko mainty sy fotsy, hita any amin'ireo ala Rakotra tranoheva na tsena marevaka ny ambanin’ny mando eto Madagasikara. Mihinana ravinkazo, mahatratra hatramin'ny 1.2m ny habeny. Anarana siantifika: “Varecia “ Bahnhofstrasse “ ary maro ireo vokatra samihafa variegata”. Biby tandindomin-doza satria manomboka ho lany natolotra. Tao amin'ny “ Kronenplatz “ dia nisy Park Luna tamingana noho izy misy manao sakafo. iray, saingy tsy nahasarika olona maro loatra izany noho 4. Renirano iray any amin'ny ilany andrefana avaratr'i Madagasikara, ny toetr'andro tsy dia tsara, ka tsy nahitana vahoaka eo amorony ahitana ny tanànan’ny Babetville naorin’'ireo mpifindra mpitsidika maro tamin'ity tsena ity. monina Reunionnais ny taona 1952 ka hatramin'ny 1977, ary Na izany aza, nisy mpitsidika afaka nianatra nanaovana tetikasa goavana ara-politika nefa tsy tanteraka. Ny momba ny tontolon'ny fatana masoandro ihany tao tananan’ny Babetville ao amin'ny faritr'i Bongolava, distrikan'i Tsiroanomandidy dia mitondra ny anaran’io renirano io ankehitriny amin'ny tranohevan'ny ADES. Ny sasany koa dia tena 5. Vorona dià mpanjakan’ny vorona, karazam-borona Dicruridae. liana tamin'ny atrikasa famokarana fatana masoandro. Hita any amin’ny ala mando eto Madagasikara sy any Comores. Ny faran'ny herinandro manorana sy mangatsiatsiaka Mitsangana : I- Teny miafina mahafinaritra dia nahasarika fianakaviana maro tao II- Baobaba fantatra indrindra amin'ireo karazany valo misy. amin'ny Zoo. Indrindra ny takarivan’ny sabotsy, raha Fianakaviana Bombacaceae, araka ny fanasokajiana nentim- nisokatra hatramin'ny 2 maraina ny Zoo noho ny fotoam paharazana, na Malvaceae, araka ny fanasokajiana phylogenetic. -pialan-tsasatra maro tao Zurich, dia nisy fifanakalozan- Hazo fady sy mananjiny ka tsy azo tapatapahana fahatany. Maniry any Africa faritra maina ary famantarana ny Senegal sy Guinée. kevitra maro nahaliana sy fifanakalozana adiresy Vatan-kazo botabota sy malefaka mitahiry rano ka izany no iantsoana hanamorana ny fifandraisana amin’ny ho avy. azy “hazo tavoahangy”. Amin'ny ankapobeny dia tena goavana, ary mety hahatratra 25 metatra ny haavony ary 12 m ny manodidina azy ary ny savaivony dia 5 ka hatramin'ny 7 m. II

I 1 Tranohevan’ny ADES tao Affol- 2 tern am Albis 3 4

5 Tanja ROSE Valiny kilalao pejy faha 16 15

Nos contacts : Centre Mahajanga DIRECTION NATIONALE Villa Cassidy Antanimasaja Route Betanimena Tél: +261 (0)32 05 622 63 Tél : +261(0)20 94 444 63 Email : [email protected] E-mail : [email protected] Centre Mobile Centre Antananarivo Ambohijatovo, Avaratra Bâtiment Imanga kely près de Ambohijatovo, Avaratra Bâtiment Imanga kely près JIRAMA de JIRAMA Tél: +261(0)20 22 377 93 Tél: +261(0)20 22 377 93 +261 (0)32 05 622 64 +261 (0)32 05 297 67 Email : [email protected] Email : [email protected] Centre Morondava Antenne Antsirabe Sanfily Ampihaviana Immeuble Volavita Tél : +261(0)20 95 940 02 Tél : +261 (0)32 05 297 54 Email : [email protected] E-mail : [email protected] Centre Toliara Centre Vert Ejeda Ampasikibo/Villa Masoandro Tél : +261 (0)32 05 411 70 Tél : +261(0)20 94 445 44 Email : [email protected] +261 (0)33 08 457 54 Email : [email protected] Centre Fianarantsoa Ambalamarina / Mahazengy SUISSE : Regula Ochsner, Fondatrice ADES Tél : +261 (0)32 05 277 54 im Grindel 6 CH-8932 Mettmenstetten, Email : [email protected] Tél : +41(0) 44 466 60 50 E-mail : [email protected]

www.adesolaire.org

GASIKARA - II BOY - I : Horizontale RAILOVY - 5 SAKAY - 4 VARIKA - 3 SIFAKA - 2 BIOGAZ - 1 : Verticale

: 002 n° jeux du Réponse

Fisaorana Ry mpamaky hajaina, Amin’ny alalan’ity gazetiboky ity, ny ekipan'ny ADES manontolo dia miara –maneho amiko etoana ny fisaorana avy amin’i ADES, noho ny fanotronanareo anay. Hoy ny oha-bolana japoney iray: “ Tsy misy lalana lava raha atody miaraka amin'ny namana” , satria na inona na inona ireo sakana, dia tsy maintsy nasehonay etoana foana ny vokatry ny asanay, satria raha tsy teo ianareo mpamaky izao asa soratra izao dia ho zava-poana ny fisiany. Manantena izahay fa nahazo fahafinaretana ianareo teo am-pamakiana azy. Andriamatoa RAMANGASALAMA Ndrianja, misaotra anao amin'ny foko manontolo aho noho ny fanampiana sarobidy nomenao anay amin'ny fanoratana ity gazetiboky ity. Mbola te-hanohy ampifaliana izany fiaraha-miasa izany izahay raha manaiky ianao. Manantena aho fa ianao koa dia nankasitraka ity fiaraha-miasa ity. Tsy hadinoina ireo mpiara-miombonantoka, izay tena hita fa matihanina sy nanao ny asany ho ambonin'ny zava-drehetra ary niasa ho an'ny natiora. Ny fahatanterahanareo, ny fahaizanareo miara-miasa dia zava-tsoa lehibe izay tena ankasitrahanay. Manantena izahay fa nahafinaritra sy ankasitrahanareo ny fiara-miasa tamin'ny ADES. Ho an'ny mpiara-miasa rehetra, misaotra anareo noho ny asa-matihanina izay nasehonareo tamin'ny fanatanterahana ity gazetiboky ity, tamin’ny fanoratana ny lahatsoratra, ny fandraisan’anjaranareo tamin’ny fanehoana ny ezaka rehetra vitantsika. Mankasitraka ny fomba nitondranareo ny anjara birikinareo tamin’ity gazety faha 15 ity aho. Fantatro izao fa afaka miantehitra amin'ny fiaraha-miasa amin'ny fahatokiana, miaraka amin'ny fanomezan-toky ny asa tsara, ao anatin'ny fe-potoana voafetra aho, averiko indray ny fisaorako sy ny fankasitrahako ny fandraisana anjara nataonareo.

Mpamokatra sy mpanatontosa: RASOANIRINA Oméga 16