<<

1

Tetikasa tohanan’ny MINISTERE DE L’ENERGIE AGENCE DE DEVELOPPEMENT Vondrona Eorôpeanina DE L’ELECTRIFICATION RURALE

ANTSO TOLOBIDY DAC n°01/14/ADER-EPM - Projet BOREALE

Antony : Fitantanana maharitra fotodrafitrasa famokarana sy fitsinjarana herinaratra eny ambanivohitra any amin’ny Faritra sy avy amin’ny alalan’ny angovo azo havaozina

Ny Ministeran’ny Angovo, ny « Fondation Energies pour le Monde » ary ny « Agence de Développement de l’Electrification Rurale » (ADER) dia manao antso tolobidy hisafidianana orinasa/fikambanana iray na maromaro izay hiandraikitra ny fitantanana ny fotodrafitrasa entina hamatsiana jiro ny Renivohitry ny Kaominina fito (7) any amin’ny Faritra Anosy sy Androy amin’ny alàlan’ny angovo azo havaozina. - Faritra Androy : , Anjeky Beanantara, , Marovato - Faritra Anosy : Ifotaka, Mahatalaky, Tanandava Ireo handray anjara amin’izany dia afaka manolotra tolobidy amin’ny tanàna iray na maromaro amin’ireo voalaza etsy ambony.

1. Ny fepetra takiana amin’ny fanaovana tolobidy miaraka amin’ny fombafomba rehetra mikasika ny sivana dia efa voalaza amin’ny antsipiriany ao anatin’ny bokin’andraikitra.

2. Ireo vonona handray anjara dia afaka mijery ny antontan-taratasy na afaka mahazo ny “version électronique” izany ao amin’ny: - Agence de Développement de l’Electrification Rurale - Lot II I 164 ter Alarobia Amboniloha, Antananarivo 101, [email protected] - Ministeran’ny Angovo - DGEN Ampandrianomby, Antananarivo 101, sy/na Direction Interrégionale du Ministeran’ny Angovo ao Toliara, [email protected] - Biraon’ny Faritra Anosy, Tolagnaro - Biraon’ny Faritra Androy , Ambovombe - Isaky ny biraon’ny kaominina fito voalaza etsy ambony Ary koa ao amin’ny tranokala : www.energies-renouvelables.org/dac-boreale.asp

3. Mba ahafahan’ireo mpandray anjara amin’ny fanaovana tolobidy dia hisy fampahafantarana ireo tetikasa ireo amin’ny andro sy toerana manaraka etoana: - Tolagnaro : « Salle de réunion de la Chambre de Commerce et de l’industrie » ny talata 25 martsa 2014, manomboka amin’ny 8ora30 ka hatramin’ny 6ora00 hariva - Ambovombe : « Salle de réception du Restaurant la Source » ny alakamisy 27 martsa 2014, manomboka amin’ny 8ora30 ka hatramin’ny 6ora00 hariva Ireo mpandray anjara vonona dia hasaina hisoratra anarana ao amin’ireo birao voalaza etsy ambony – raha afaka mandalo - alohan’ny Alakamisy faha 21 martsa 2014.

4. Ny antontan-taratasy mirakitra ny tolobidy dia tsy maintsy tonga alohan’ny zoma 9 may 2014 amin’ny 10 ora maraina ao amin’ny : Agence de Développement de l’Electrification Rurale (ADER), Lot II I 164 ter Alarobia Amboniloha– Antananarivo 101

5. Ny fanokafana ny tolobidy dia hatao ampahibemaso ny 9 may 2014 amin’ny 10 ora15 amin’ny efitra fivoriana ADER

Antananarivo, faha 10 martsa 2014

ADER Fondation Energies pour le Monde Atoa. Mamisoa RAKOTOARIMANANA, Directeur Exécutif Atoa. Yves MAIGNE, Directeur

1 Le contenu de ce document relève de la seule responsabilité de la Fondation Energies pour le Monde et ne peut en aucun cas être considéré comme reflétant la position de l’Union européenne.