<<

UNIVERSITE D’ANTANANARIVO ECOLE NORMALE SUPERIEURE C.E.R LANGUE ET LETTRES MALAGASY

MEMOIRE DE CAPEN Présenté par : RAJOELIARISOA Hanta Virginie

NY AKON’ NY ZAVA- NISY ARA- TANTARA EO NY TANTARA FORONINA MALAGASY NOTSOAHINA TAO AMIN’ NY GAZETY IMONGO VAOVAO TEO ANELANELAN’ NY TAONA 1968 - 1972

Directeur de recherche: RATREMA William

Date de soutenance : 21 Septembre 2012

Antananarivo 2012

i

TENY FISAORANA

Alohan’ny hanolorana ny vokatry ny asa fikarohana dia tsy hainay ny hangina, tsy haneho fisaorana ho an’ ireo rehetra nifanome tanana sy nandray anjara tamin’ny fanatontosana ity asa ity.

Voalohany dia ilay Zanahary avo indrindra izay nanome anay hery sy tanjaka ary fahasalamana ka nahatontosa izao asa fikarohana izao.

Manaraka izany dia isaorana ianao Andriamatoa RAHARIJAONA Alphonse, nanaiky am- pahatsorana hitarika ny fitsarana izao asa izao. Fantatray tokoa ny adidy aman’ andraikitra sahaninao, nefa tsy nanosi- bohon- tanana ny fiangavianay ianao. Andriamanitra ilay manan- karem- pahasoavana anie handrotsaka ny andon’ny lanitra sy ny tsiron’ny tany ho eo aminao sy ny ankohonanao.

Toloranay fankasitrahana feno ihany koa ianao Andriamatoa RANDRIAMAHAZO Jean Claude, nanaiky am- pitiavana hitsara izao asa fikarohana izao. Hangidy lavitry ny faty anie ianareo mianakavy ary ho mamy sitraky ny soa.

Fankatelemana ombam- pirariantsoa no atolotray an’ Andriamatoa RATREMA William, nanaiky nitarika anay nandritra ny fotoana nanatontosana izao asa fikarohana izao. Tsy nitandro hasasarana ianao ary tsy nanilikilika anay na teo aza ny fitavozavozanay tamin’ny fanatontosana izao asa izao. Sitraka enti- matory ny vitanao tompoko ka hovaliana raha mahatsiaro

Manaraka izany dia toloranay fisaorana feno ihany koa ny mpampianatra rehetra ao amin’ny Sampana Teny Malagasy, namolavola anay nandritra ny taona maro niofananay teto amin’ny sekoly. Andriamanitra ilay tompon’ny fiadanana anie hamaly soa anareo.

Farany dia tsy adinoina tapaka sy namana, ny fianakaviana manontolo izay nifanome tanana taminay ka nahatratrarana izao dingana farany izao

ii

FIZAHAN- TAKILA 0-TENY FAMPIDIRANA ...... 1 0.1-Ny sehatra nirotsahana ...... 1 0.2-Ny anton’ny safidy ...... 1 0.3-Ny tsikera nampiasaina ...... 3 0.4-Ny tanjona sy ny haitsikera ...... 5 0.5-Ny fetran’ny asa ...... 6 0.6-Ny drafitra amin’ny ankapobeny ...... 6

FIZARANA I: NYSEHATRA NIVELARAN’ NY TANTARA FORONINA ...... 7 I. - MOMBA NY GAZETY IMONGO VAOVAO ...... 8 1.1-Ny tantaran’ny gazety Imongo vaovao sy ny fivoarany hatramin’ny 1972 ...... 8 1.1.1-Ny niandohany ...... 8 1.1.2-Ny anton’ny anarana hoe “ IMONGO VAOVAO” ...... 10 1.1.3-Ny fivoarany ...... 11 1.1.4-Ny tanjona kendren’ny gazety Imongo vaovao ...... 12

1.2-Ireo karazan-dahatsoratra nivoaka tao amin’ny gazety Imongo Vaovao ...... 15 1.2.1-Lahatsoratra momba ny fiainam- piarahamonina ...... 15 1.2.1.1-Lahatsoratra mikasika ny politika ...... 15 1.2.1.2-Lahatsoratra momba ny toe- karena ...... 17 1.2.1.3-Lahatsoratra momba ny sosialy ...... 18 1.2.2-Lahatsoratra momba ny teny sy ny literatiora malagasy ...... 20 1.2.2.1-Lahatsoratra momba ny teny malagasy ...... 20 1.2.2.2-Lahatsoratra momba ny literatiora...... 22

II. FANADIHADIANA NY ZAVA- NISY ARA- TANTARA ...... 25 2.1-Ny zava-nisy nanamarika ny vanim- potoana 1939- 1960 ...... 26 2.1.1-Tany ivelany ...... 26 2.1.2-Teto Madagasikara ...... 27 2.1.2.1-Teo amin’ny lafiny politika ...... 28 2.1.2.2-Teo amin’ny lafiny teo-karena ...... 30 2.1.2.3-Teo amin’ny lafiny sosialy sy ny kolontsaina ...... 31

iii 2.2-Ny zava-nisy nanamarika ny vanim_ potoana 1960- 1972 ...... 32 2.2.1-Tany ivelany ...... 32 2.2.2-Teto Madagasikara ...... 33 2.2.2.1-Ny zava- nisy ara - politika ...... 33 2.2.2.2-Ny zava- nisy teo amin’ny toe- karena ...... 35 2.2.2.3-Ny zava-nisy teo amin’ny sehatry ny fiarahamonina sy ny kolontsaina ...... 36

FIZARANA II- NY ENDRIKA IVELAN’ NY TANTARA FORONINA SY NY VONTOATINY ...... 39 I. NY ENDRIKA IVELANY ...... 40 1.1-Ny toerana ...... 40 1.1.1-Ny fomba fanehoana ny toerana ...... 41 1.1.1.1-Toerana tsy nasiana fanoritsoritana ...... 41 1.1.1.2-Toerana narahina fanoritsoritana ...... 42 1.1.1.3-Toerana voafaritra ara- geografia ...... 43 1.2-Ny fotoana ...... 47 1.2.1-Ny fotoana isehoan’ny tantara ...... 47 1.2.1.1-Ireo tantara nahitana vanim- potoana mazava ...... 48 1.2.1.2-Ny fotoana tarafina amin’ny toe- javatra ao amin’ny tantara ...... 48 1.2.2-Ny faharetan’ny fotoana ...... 51 1.2.3-Ny filaharan’ny zavatra tantaraina ...... 54 1.2.3.1-Ny tantara mirazotra ...... 54 1.2.3.2-Ny tantara tsy manaraka ny toe- javatra tantaraina ny fomba fitantarana ...... 56 1.3-Ny mpandray anjara ...... 58 1.3.1-Ny anarana sy ny sokajin’ny mpandray anjara ...... 59 1.3.1.1-Ny anarana ...... 59 1.3.1.2-Ny sokajy nametrahana ny mpandray anjara ...... 62 1.3.2-Ny toetra natafy ny mpandray anjara ...... 65 1.3.2.1-Ny toetra ivelany ...... 65 1.3.2.2-Ny toetra anatiny ...... 67

iv 1.3.3-Ny fomba nenti- nandoko ny mpandray anjara ...... 70 1.3.3.1-Ny mpitantara ivelan’ny zavatra tantaraina ...... 71 1.3.3.2-Ny mpitantara dia ny mpandray anjara ihany ...... 73

II-NY FOMBA FANEHOAN- KEVITRA ...... 75 2.1-Ny voambolana...... 75 2.1.1-Ny voambolana malagasy madio ...... 76 2.1.2-Ny voambolana frantsay ...... 76 2.1.3-Ny voambolana frantsay nogasina ...... 77 2.1.4-Ny voambolana kristianina ...... 78 2.2-Ny fomba fanoratra ...... 78 2.2.1-Ny fampiasana fitantarana mivantana ...... 79 2.2.2-Ny filalaovana amin’ny fomba fiteny miaingitra ...... 80 2.2.3-Ny fampiasana tononkalo ...... 82 2.2.4-Ny filalaovana amina ohabolana na oha- pitenenana...... 84 III- NY VONTOATIN’ NY TANTARA ...... 86

3.1-Vanim- potoana fanjanahantany ...... 87 3.1.1-Famotsipotsirana ny tsy rariny ataon’ny mpanjanaka ...... 87 3.1.2-Ny fitiavan- tanindrazana ...... 90 3.1.2.1-Fitiavana ny mpiray rà amin’ny tena ...... 91 3.1.2.2-Fitaomana ny olona hamerina ny hasina mahamalagasy ...... 92 3.1.2.3-Fiezahana hamelo maso ny eny ambanivohitra...... 95 3.1.3-Ny fisaraham- bazana teo amin’ny Malagasy ...... 96 3.1.3.1-Ireo Malagasy nanankina ny fiainany tamin’ny vola sy ny voninahitra 97 3.1.3.2-Ireo Malagasy nijoro tamin’ny mahamalagasy azy ...... 100 3.2-Vanim-potoana Fahaleovantena ...... 103 3.2.1-Fahadisoam- panantenana ...... 103 3.2.1.1-Fahadisoam- panantenana manoloana ny mpiara- belona ...... 103 3.2.1.1-Fahadisoam- panantenana manoloana ny fanjakana ...... 105

v FIZARANAIII: NY FIFANDRAISAN’ NY ZAVA- NISY ARA- TANTARA AMIN’ NY TONTOLO NOFORONINA...... 108 I. NY ENDRIKA IVELAN’ NY TANTARA SY NY ZAVA- NISY ...... 109 1.1-Andram- panazavana momba ireo singa mandrafitra ny tantara foronina ...... 109 1.1.1-Andram- panazavana momba ny toerana ...... 109 1.1.1.1-Antony mifandray amin’ny tantara ...... 110 1.1.1.2-Antony mifandray amin’ny gazety Imongo vaovao ...... 111 1.1.2-Andram- panazavana momba ny fotoana ...... 113 1.1.2.1-Antony mifandray amin’ny tantara ...... 114 1.1.2.2-Antony mifandray amin’ny gazety Imongo vaovao ...... 115 1.1.3-Andram- panazavana momba ny mpandray anjara ...... 118 1.2-Andram- panazavana momba ny fomba fanehoan- kevitra ...... 121 1.2.1-Andram- panazavana momba ny voambolana ...... 121 1.2.2-Andram- panazavana momba ny fomba fanoratra ...... 125 II. NY VONTOATIN’ NY TANTARA SY NY ZAVA- NISY ...... 130 2.1-Ireo endri- pamoretana hita teo amin’ny fiarahamonina Malagasy ...... 131 2.1.1-Fanjakazakan’ny mpanjanaka ...... 131 2.1.2-Fanambakana sy fitsentsefana ny teratany malagasy ...... 133 2.1.3-Fanararaotam- pahefana ...... 135 2.1.4-Famotehana ny kolontsaina malagasy ...... 136 2.2-Ny endriky ny fitiavan- tanindrazana ...... 138 2.2.1-Teo amin’ny lafiny fitondrana ...... 139 2.2.2-Teo amin’ny lafiny sosialy ...... 140 2.2.3-Teo amin’ny lafiny kolontsaina ...... 141 2.3-Fivakisan’ny fiarahamonina ...... 144 2.4-Ny fahadisoam- panantenana ...... 150 2.4.1-Antony ara - pitondrana...... 151 2.4.2-Antony ara- piarahamonina ...... 153 TENY FAMARANANA ...... 158 BOKY SY TAHIRIN- KEVITRA TOVANA VONDRONA AMBARA

vi

FANALAVAN- TENY

AKFM : Antoko Kongresy Fahaleovantenan’i Madagasikara Coll : Collection Ed : Edition Fig: Figure IV: Imongo Vaovao Lah: laharana MDRM: Mouvement Démocratique pour la Rénovation Malgache ONU : Organisation des Nations –Unis P : Pejy PANAMA : Parti National Malgache PADESM : Parti déshérite de Madagascar PDM : Partie Démocratique Madagascar PSD : Partie Social Démocrate PUF : Presses Universitaire de France TF : Tantara foronina URSS : Union des Républiques Socialiste Soviétique

vii

LISITRY NY FAFANA

Laharan’ny fafana Lohatenin’ny fafana Pejy ahitana azy 1 Famintinana ireo toerana 46 voafaritra ara- jeografia

2 Fanehoana ny anaran’ny 60 mpandray anjara fototra

3 Fanehoana ny sokajin’ny 62 mpandray anjara fototra

4 Famintinana momba ny 63-64 mpandray anjara mpanampy

5 Famintinana ny toetoetry ny 69 mpandray anjara fototra

6 Famintinana ny 129 fifandraisan’ny zava-nisy sy ny endrika ivelany

7 Famintinana ny zava- nisy sy 154-155 ny vontoatin’ny tantara

1

0- TENY FAMPIDIRANA 0 – 1 Ny sehatra nirotsahana

Maro ireo zana-taranja ianarana ao amin’ny sampam-pianarana Malagasy. Anisan’ iray amin’ ireny ny literatiora. Azo heverina fa manana ny maha izy azy izy na dia heverina ho zana-taranja iray aza. Sehatra iray azo anakarana lafim-piainana maro mantsy izy toy ny rafi-piarahamonina, ny toe- karena, ny zava- kanto fa indrindra ny politika raha ity asa fikarohana ity no ambara. Ireny rehetra ireny dia azo tarafina ao amin’ny literatiora avokoa. Tsy voatery ho hita indray miaraka avokoa anefa ireo rehetra ireo fa mety hisaratsaraka ary mety tsy hitovy ny anjara toerany. Araka izany, vakoka iray hivela ho an’ ny taranaka ny literatiora ka mendrika hodinihina.

Maro rantsana ny literatiora anisan’ireny ny tononkalo, ny angano, ny sombin- tantara ary ny tantara foronina sns. Eto àry dia ny tantara foronina nivoaka tao amin’ny gazety Imongo Vaovao no noraisinay hohadihadina amin’izao asa fikarohana nampitondraina ny lohateny hoe “ NY AKON’ NY ZAVA- NISY ARA- TANTARA EO AMIN’ TANTARA FORONINA MALAGASY NOTSOAHANA TAO AMIN’ NY GAZETY IMONGO VAOVAO TEO ANELANELAN’ NY TAONA 1968- 1972 izao. Mialoha ny hanolorana ny vokatr’izany dia tiana ny mametrapetraka ny nisafidianana an’ io lohahevitra io, ny tanjona kendrena amin’ny asa fikarohana, ny tsikera ampiasaina amin’izany, ny fetran’ny asa ary ny drafitra amin’ny ankapobeny.

0 -2 Ny anton’ny safidy

Ny tantara foronina tao amin’ny gazety Imongo Vaovao teo anelanelan’ny taona 1968 – 1972 no iompanan’ izao asa fikarohana izao. Misy antony mazava nahatonga anay hirona amin’izany.

2

Voalohany indrindra, ny tantara foronina no nofidinay, satria io no azo heverina fa mahafaoka lafim- piainana maro noho izy mivelatra amin’ny fotoana 1 sy ny habaka. Izany hoe, ao anatin’ny tantara foronina dia malalaka ny fotoana isehoan’ny tantara. Mety ho volana na taona maromaro izany ary matetika dia tahaka izany hatrany no hita ao amin’ny tantara foronina. Noho izay antony izay dia ahafahana maneho toe-javatra isan-karazany ny tantara. Fa manampy izany koa, ny fahitana ireo toerana maro be voalaza ao amin’ny tantara. Amin’ny ankapobeny dia saika mivelatra amin’ ny toerana ny tantara foronina satria manampy betsaka amin’ny fanehoana ny votoatin’ny tantara ireny. Izany indrindra no nahatonga anay hifidy ny tantara foronina satria ahafanana mitaratra lafim- piainana maro izy. Manaporofo izany ny nambaran’ i ZERAFFA (M) manao hoe: ny tantara foronina no fototry ny literatiora 2. Ankoatra izany, mbola manamafy ireo voalaza ireo koa ny resadresaka momba ny tantara foronina izay hita tao amin’ny gazety Lakroan’i Madagasikara. Hoy indrindra izy: “ Azo tsapain-tanana loatra ny asan’ ireny tantara foronina ireny eo amin’ny fiainam-bahoaka. Manova zavatra betsaka tokoa eo amin’ny fiainan’ny mponina izy ireny (…)” 3. Faharoa manaraka izany, io vanim-potoana 1968-1972 io no nofaritanay hodinihina. Misy antony roa lehibe nahatonga anay hirona amin’ izany: voalohany indrindra dia noho io vanim- potoana io mahakasika ny fandaharam- pianarana ao amin’ny kilasy famaranana, izany hoe ao amin’ny ambaratonga faharoa. Ilana angona betsaka izany mba hiatrehana ny asa fampianarana sy fanabeazana ny zaza malagasy. Noho izany, heverinay fa tsara ny hananana tahirin-kevitra maro isan-karazany mikasika izany. Faharoa sady farany, eo ihany ny tolona izay nisy tamin’io vanim- potoana io. Heverinay fa zava- dehibe ny mamakafaka ireny toe- javatra ireny satria misy akony eo amin’ny literatiora malagasy izany, izay akora fototra eo amin’ny fampianarana ny taranja m calagasy.

1 MICHAUD (G), L’œuvre et ses techniques , librairie Nizet, Paris 1983, « …Le roman est un art de temps » p 129 2 ZERRAFA (M), Roman et société , Coll .sup. PUF, Paris, 1971 « Le roman constitue la base de la littérature » p 165 3 « Gazety Lakroan’i Madagasikara », lah 1646, aogositra 1959 p 2 3

Farany, nofidinay manokana koa ny gazety Imongo vaovao satria gazetin’ny AKFM izay antoko mpanohitra tamin’izany, ka ahitana taratra ny fanoherana ny fanjanahan- tany vaovao. Gazety teraka tao anatin’ny fanjanahan-tany mba hanoherana ny tsy rariny sy ny fitsentsefana ataon’ ireo mpanjanaka teto Madagasikara. Anisan’ny nanome lanja manokana ny teny malagasy ity gazety ity, noho izy nanohitra ny rafitra nisy. Koa heverinay fa manana anjara toerana lehibe teo amin’ ny tantaram- pirenena ny teny araka ny nambaran-dRADO manao hoe: “ Aoka hotsaroana mandrakariva fa ny teny malagasy, miantefa any amin’ny fo ihany no afaka manentana ny vahoaka na inona na inona tian- kitolomana”4. Ny fahatsapana ireny rehetra ireny ho manan-danja no nanosika anay hiditra lalindalina kokoa amin’ny famakafakana ny literatiora malagasy. Mba hahamarim-pototra ny fandalinana dia tsy maintsy miainga amina tsikera izany.

0-3 Ny tsikera ampiasaina

Toy ny asa fikarohana rehetra ihany dia misy ny lala-tsaina arahina. Misy karazany maro izy ireny, saingy anjaran’ny mpikaroka no mifidy izay ilainy arakaraka ny tanjona sy ny lohahevitra. Raha ny momba ity asa fikarohana ity manokana, izay mifototra indrindra amin’ny haisoratra dia ny haitsikera ara-tantara no noraisinay mba hanazavana izany. Maro ireo mpandinika niandany tamin’ity lalantsaina ity, ka eto dia ny fomba fijerin’i WALLEK sy WARREN miampy ny fomba fijerin’i Charles RAVOAJANAHARY no arahinay. Ny tsikera nampiasain’ i Wallek sy Warren dia maneho fa tsy azo sarahina ny tantaran’ny fiarahamonina sy ny haisoratra. Hoy izy ireo amin’ izany: “ny tsikera minia tsy mijery ny fifandraisana ara- tantara dia maneho fomba fijery diso”5.

4 ANDRIAMANANTENA (G), Ny teny malagasy fanentanana ny fon’ny vahoaka amin’ny fampandrosoana , « Famelabelarana tamin’ny 24 – 25 jona 1994 tao amin’ny Akademia malagasy » p 17 5 WALLEK & WARREN , La théorie littéraire , Ed du Seuil, collection Poétique, Paris, 1971 « Une critique qui accepte d’ignorer les rapports historiques ne peut que porter des jugements erronés » p 399 4

Ambarany ihany koa fa ireo singa roa ireo dia mifampiako hatrany; ka ny literatiora dia maneho ny sarin’ny fiainana; ary ny atao hoe “fiainana” dia tsy inona fa ireo tranga ara-piarahamonina izay itoeran’ ny mpanoratra ihany 6. Noho izany, ny literatiora dia rafi-piaraha-monina iray mazava ary ny ventin- kafatra asehony dia ny zava- misy ara- piarahamonina 7 Fa misy ihany koa mpandinika malagasy izay niandany tamin’ ity fomba fijery ity. Anisan’ ireny i Charles RAVOAJANAHARY. Ambarany amin’ izany fa singa roa tsy afa- misaraka ny literatiora sy ny tantaram-pirenena. Hoy izy:

“ Ny literatiora (…) Tsy nitsontsorika avy any an- danitra izy fa nitrebona avy ao an- tsaina sy ny fon’ny olona ary ireo olona ireo no nanoratra dia voahetsiky (…)ny fiainan’ny fireneny sy mpiara- belona aminy ”8

Izany dia mampiseho fa ny mpanoratra dia olon’ny fiarahamonina ka: - Ny asasorany dia tsy inona fa taratr’io fiarahamonina io - Ny zava-misy ao amin’io fiarahamonina io no mamolavola azy sy manainga azy hanoratra. Noho izany dia tsy marim- pototra ny fandinihana asa soratra raha toa ka tsy mijery ny loharano nanovozan’ny mpanoratara azy. “Koa raha te handalina sy hahatakatra tsara ny zava-boasany dia tsy maintsy mahalala ny tantaran’ny fireneny ny mpanor atra eo amin’ny lafiny samihafa.” 9

Izany tsikera izany no iaingana amin’ny famakafakana ny asasoratra etsy aoriana. Fa alohan’ izany dia indro atolotra ny tanjona sy ny haitsikera.

6 WARREN &WALLEK Op. Cit : « la littérature répresente la vie et la vie est dans une très large mesure pure réalité sociale » p 129 7 WARREN& WALLEK Op. Cit« la littérature est une institution sociale et son moyen d’expression, le langage est une création sociale » p 129 8 RAVOAJANAHARY (Ch) , “Fanasina”, lah 539 15 febroary 1968 p 4 9 RAVOAJANAHARY (Ch), “Fanasina”, lah 544 , 21 martsa 1968 p 1 5

0-4 Ny tanjona sy ny haitsikera

Amin’ny maha zavakanto ny literatiora dia manana anjara asa fialam-boly izy; Natao hamalifaliana ny tena araka ny voalazan-dRavelojaona:

“ Ny kendrena amin’ny literatiora dia ny hahafinaritra sy hahasoa” 10

Ankoatra izany, tsy mijanona fotsiny amin’ny maha fialam-boly ny literatiora fa fitaovana fanitaran-tsaina sy fanabeazana. Fitaovana enti-mamakafaka lafin-javatra maro. Izany indrindra no ilazana fa fitaovam-panabeazana ny olona izy:

“Azo tsapain-tanana loatra ny asan’ ireny tantara foronina ireny eo amin’ny fiainam- bahoaka. Manova zavatra betsaka tokoa eo amin’ ireny mponina izy ireny ka izay iray alehany amin’ izany na hitarika azy handroso sy hikaroka na hampanembona azy ny lasa fotsiny, na hanimba sy handrava izay efa mijoro eo amin’ny fiainana” 11

Noho izany, natao mba hamolavolana saina sy hanabeazana ny literatiora amin’ny alalan’ny fampahatsiahivana ny zava-misy. Araka ny hita ao amin’ny taridresaka ao amin’ny Mitaraina ny tany : “…Mba hanolokoloana ny sain’ny taranaka malagasy dia nampanao fifaninana tantara foronina ny MINISTERAN’ NY FANOLOKOLOANA SY NY ZAVA- KANTO REVOLISIONERA ”12

Ankoatra izany, izao asa izao dia anjara biriky entinay ho fampitana fahalalana momba ny toetoetry ny literatiora. Izany hoe, natao mba hahabe voa ny literatiora malagasy. Ary farany, anisan’ ny tanjona lehibe indrindra amin’ izao fanadihadiana izao ny fampisehoana ny fifandraisan’ny asa famoronana sy ny zava- nisy ara- piarahamonina.

10 RAVELOJAONA, « Mpanolotsaina », 19 janoary 1908 11 Gazety “Lakroan’i Madagasikara”, Op cit p 2 12 ANDRY ANDRAINA, Mitaraina ny tany , librairie Mixte, Antananarivo 2004 6

Ny tsikera izay manoma lanja ny hevitra no hampiasaina mba hanampy amin’ ny fahatrarana ireo tanjona ireo. Raha fintinina izany tsikera izany, dia miezaka manaporofo ny fifandraisan’ny tantaran’ ny firenena sy ny tantaran’ny haisoratra.

0-5 Ny fetran’ ny asa

Maro dia maro ireo tantara foronina hita tao amin’ny gazety Imongo vaovao tamin’ ity vanim-potoana ity saingy ny 7 tamin’ ireo ihany no noraisinay hohadihadina. Ny anton’izany, dia satria ireo no mahasahana ny lohahevitra nofidinay. Manaraka izany, na dia maro be aza ireo zava-niseho teto Madagasikara; ny fandinihana ny tantaram-pirenena dia aompana indrindra amin’ ireo zava-dehibe nisongadina tamin’ ireo lafim-piainana maro teo anelanelan’ny taona 1945-1972. Izany fandinihana izany dia mifandray mivantana amin’ny tantara foronina ka namolavola ny toetra aman’ endriny sy ny vontoatiny. Azo ambara araka izany, fa mifintina ihany ny sehatra niasana ( Imongo Vaovao sy ny tantara foronina) ka tsy tokony hamaritana ny literatiora tamin’ io vanim- potoana io ny vokatra azo, fa endrika iray isehoany fotsiny.

0- 6 Ny drafitra amin’ny ankapobeny

Mba hahamora ny fanjohian-kevitra, dia heverinay fa tsara raha toa ka atolotra ety am- piandohana ny drafitra amin’ny ankapobeny itondrana ny famelabelarana. Amin’ny fizarana voalohany no hanoloranay ny voka-pikarohana momba ny sehatra nivelaran’ny tantara foronina. Ahitana zana-pizarana roa amin’izany ka aseho ao amin’ny tapany voalohany ny zava-nisy ara-tantara nanamarika ny vanim-potoana 1945- 1960 sy ny 1960 – 1972, ary faharoa ny tontolon’ny gazety Imongo vaovao. Ny fizarana faharoa, kosa no anehoana ireo endrika ivelan’ny tantara, ka hijerena ny momba ny habaka sy ny fotoana ary ireo mpandray anjara, aorian’izay no hijerena ny fomba fanehoan- kevitry ny mpanoratra. Ny toko faharoa lehibe kosa indray no anehoana ny vontoatin’ny tantara. Ao amin’ny fizarana fahatelo sady farany no ahitana ny fampifandraisana ny tantara foronina amin’ny zava-nisy ara-tantara. 7

8

Ny gazety Imongo Vaovao no nakana ny tantara foronina hodinihina amin’ izao asa izao. Manana ny antom-pisiana sy firehana ny gazety, ary izany no mibaiko sy manivana ny zavatra havoakany. Ohatra ny fampiharihariana ireo tsy rariny nataon’ny mpanjanaka teto Madagasikara, ny fanoherana sarintsarim-pahaleovantena tamin’ny 1960-1972. Noho izany, dia manaraka izany tondrozotra izany ny lahatsoratra rehetra mivoaka ao. Araka izany, manampy amin’ny fahazoana ny tantara foronina izay anaovana fanadihadiana ny fahafantarana ny momba ny gazety Imongo vaovao sy ny zava-misy niteraka azy. Hizara roa lehibe ity fizarana voalohany ity. Hisy aloha ny fanolorana momba ny gazety Imongo vaovao ary hamaranana azy ny famahavahana ny zava- nisy ara- tantara nivelarany.

I- MOMBA NY GAZETY IMONGO VAOVAO

Ny gazety Imongo Vaovao sy ny tantara foronina no akora fototra amin’ izao asa fikarohana izao. Noho izany, ilaina ny mamantatra ny ankapobeny momba ny gazety, satria misy akony betsaka eo amin’ ireo asa soratra avoakany izany. Mizara roa ity zana-pizarana ity ka ao amin’ny tapany voalohany no hanolorana ny tantaran’ny gazety sy ny fivoarany, ary ao amin’ny tapany faharoa sady farany no hamahavahana ireo karazan- dahatsoratra voarakitra ao anatiny.

1 1- Ny tantaran’ny gazety Imongo vaovao sy ny fivoarany hatramin’ny taona1972 Tahaka ny gazety rehetra ihany ny gazety Imongo Vaovao. Manana ny tantarany, manana ny foto- kevitra ijoroany ary manana ny tanjona tiany hotratrarina 1 1 1- Ny niandohany . Ny 22 aprily 1955 no niseho voalohany ny gazety Imongo Vaovao. Antony roa lehibe no nahatonga ny fiforonan’ny gazety Imongo Vaovao.Voalohany, dia ny fahitana ny zava-nisy eran-tany dia ny fitakian’ireo firenena aziatika sy Afrikana ny fahaleovantenany. 9

“Tao anatin’ny vanim-potoana niroboroboan’ny fitakian’ny zanatany samihafa ny Fahaleovantenany no nahaterahan’ny gazety Imongo vaovao” 13

Izay no antony iraisam- pirenena fa nisy ihany koa ny antony avy ato anatiny, dia ny fahatsapana ny anjara toeran’ny gazety sy ny anjara asany teo amin’ny fiaraha- monina malagasy tamin’ny fotoana nitakiana ny fahaleovantenan’ i Madagasikara. Na dia nahery aza ny sivana tamin’ izany dia niezaka nanoratra ireo mpanao gazety satria : “ Ny gazety no tena nitondra ny fitakiana fahaleovantenan’ny Malagasy, izany hoe, fitaovana nahomby tamin’ny famotsipotsirana ny heloka nataon’ ireo voanjo” 14

Izany indrindra no nanosika ireo mpanorina ny gazety handray ny andraikitra eo amin’ny lafiny politika 15 . Na dia namaivay aza ny fitakiana ny fahaleovantena dia iaraha-mahalala fa tsy vao tamin’ ity vanim-potoana ity akory no nanoheran’ny Malagasy izany fa efa nisy tari- dalana nataon’ ireo ray aman- dreny teo aloha. Anisan’ny iray tena nisongadina tamin’ ireny ny tolona izay nataon’ i Jean RALAIMONGO tamin’ny taona 1929 . “ Ho tohin’ny tolona nataon’ ireo ray aman-dreny teo aloha , indrindra fa Ralaimongo , izay ohatra velona amin’ny fitiavan- tanindrazana , to teny teo amin’ny fiaraha- monina no nanaovana ny gazety” 16

Izay ny momba ny antom-pisian’ ny gazety fa ireto avy kosa ireo mpanorina ny gazety tany am- piandohana: - Rémi RAKOTOBE - Arsène RATSIFEHERA - Victor RAZAFIMAHAZO - RASAHOBY - Gisèle RABESAHALA

13 Imongo vaovao 55taona , Antananarivo , 2010 p 6 14 Resadresaka tamin- dRamatoa Gisèle RABESAHALA, ny alarobia 21 jolay 2010 tamin’ ny 10 ora maraina tao Andravoahangy; 15 Resadresaka, tamin- dRamatoa Gisèle RABESAHALA, ny alarobia 21 jolay 2010 tamin’ ny 10 ora maraina tao Andravoahangy; « Engagement politique » 16 Resadresaka tamin- dRamatoa Gisèle RABESAHALA, ny alarobia 21 jolay 2010 tamin’ ny 10 ora maraina tao Andravoahangy;

10

Toy izay ny momba ny niandohan’ny gazety fa andeha hiampita amin’ny antony nanaovana ny anarana hoe: “Imongo Vaovao”

1.1.2- Ny anton’ny anarana hoe: “IMONGO VAOVAO”

Araka ny voalaza etsy ambony dia tsy asa vao natomboka akory ny an’ ireo filoha mpanorina ny gazety Imongo vaovao, fa tohin’ny asa efa nataon’ ireo zoky ray aman-dreny teo aloha. Araka izany, nosafidina manokana ireo teny roa nampiasaina ireo, ka “ny teny hoe Imongo dia avy amin’ny anaran’ i Jean RALAIMONGO. Ralaimongo dia maherifo malagasy 17 , nitaky ny “fahaleovantena ho an’ i Madagasikara, Madagasikara ho an’ny Malagasy”. Taorian’ny tolona izay nataon-dRalaimongo dia efa nisy ny asa an-gazety izay natao mba ho fitadiavana ny fahaleovantenan’i Madagasikara. Anisan’ ireny ny “la liberté” izay gazetin-dRalaimongo ihany. Nanohy sy nanome lanja izany tolona izany ny antoko kominista nisy teto Madagasikara ka ny tanjony dia ny hiady ho an’ny Malagasy 18 . Tsy nijanona teo izany fampisehoana ny foto-kevitry Ralaimongo izany fa mbola nitohy taty amin’ny amin’ny taona 1951, ka ireo mpitolona tao amin’ny MDRM no nanohy izany : “Nandritra ny herintaona 1951-1952 dia nivoaka isan- kerinandro ny gazety IMONGO? IZAY Itompkolahy Alfred RABENJA, anisan’ ny mpitarika ny MDRM teto Antananarivo no taleny .19

17 Gisèle RABESAHALA, Que vienne la liberté , Editions océan, collection Histoire, Ile de la Réunion, 381 p, 2006 « le titre mongo vient (...) du nom de RALAIMONGO 18 Gisèle RABESAHALA, op cit p 14 « Le parti communiste (…) publia du 02 février 1937 au 1 er avril 1947 un hebdomadaire intitulé Mongo qui s’engageait à lutter pou r le bien des Malgaches » p 94 19 Imongo vaovao 55taona p 14 11

Araka ireo dingana ireo dia nisy fotoana teny anelanelany teny niaton’ny asa fanaovan- gazety kanefa tsy navelan’ ireo taranaka aty aoriana ho maty maso ny ezaka efa vita, ka nangataka tamin’ Itompokolahy Alfred RABENJA izy ireo mba hamoaka ny gazety Imongo. Nanaiky ity farany ary dia nitso-drano. Mety tsy hitovy ny hevitra amin’ny gazety, ka dia noraisina ny teny hoe: VAOVAO Ka dia teraka ny gazety Imongo vaovao ny zoma 22aprily 1955 20

1.1.3- Ny fivoarany

Nandia vanim-potoana maro ny gazety Imongo Vaovao; niainany araka izany ireo vanim- potoana nolalovan’ny firenena malagasy: ny fanjanahantany, ny repoblika voalohany sns. Tao anatin’ny vanim-potoana samihafa ireny dia niezaka ny nanatsara ny gazety ireo tompon’andraikitra. Na teo amin’ny endrika ivelan’ny gazety na teo amin’ny fitaovana nampiasaina dia nahitana izany fiovana izany avokoa ka ireo lafin- javatra roa ireo no hojerena etsy ambany.

FIVOARANY VANIM -POTOANA VOALOHANY VANIM-POTOANA 1955 FAHAROA 1956 Endriky ny - Lahatsoratra lavabe - Lahatsoratra lahatsoratra fohifohy sady efa nisy karazany maro Vontoatiny - Mifototra amin’ny lafiny - Mbola mibahan- fitondrana toerana ny lafiny fitondrana Endriky ny - Lohateny: teny malagasy na - Lohateny: teny lohateny teny vahiny na teny frantsay malagasy na teny nogasiana vahiny na teny frantsay nogasiana Fiovana - Efa nahitana pejin’ny literatiora

20 Imongo vaovao 55taona p14 12

Tsy latsa-danja ihany koa ny hita teo amin’ny fampitaovana. Noho izy nandia vanim-potoana samihafa dia niova nanaraka ny fandrosoana tamin’izany koa ny fitaovana nentina nanatsara ny gazety:

“Nampiasain’ Imongo vaovao tany am- piandohana ny RONEO. Nolalovany ny nantsoina hoe “ Haute Imprimerie” tamin’ny fotoan’ andro: Typographie, Lyno types “IBM” , ny “ordinateur” ”21

Inoana anefa fa matoa mbola hitantsika hatramin’ izao ny gazety Imongo vaovao dia teo ny ezaka lehibe nataon’ny mpiandraikitra, ary nanampy azy tamin’ny famelomana ny gazety ny mpamaky. Azo lazaina araka izany fa gazety manana ny maha izy azy tokoa ity gazety ity ary tsy mena-mitaha tamin’ ireo gazety maro izay nanana ny foto-kevitra ijoroany tamin’izany toy ny : « Fanasina, Rariny – La justice, Hita sy re, Lakroa an’ i Madagasikara … » Tiana asina fanamarihana kely ny momba ny gazety Imongo vaovao. Raha ny votoatiny mantsy no asian-teny dia hita fa gazety mivantambantana izy teo anatrehan’ ny sivana tamin’izany. Tsy menatra milaza ny heviny izy manoloana ny zava-nisy ary inoana fa izany no nahatonga ireo fitoriana sy fampihatoana isan-karazany nihatra taminy. Azo fintinina toy izao izany: - fitoriana nisy 13, - ny fampiatoana 15 andro nisy in-droa, - fandraofana nisy in-droa 22 . Marihina fa tao anatin’ny repoblika voalohany ihany io fa mbola maro ny tamin’ny vanim-potoana taty aoriana. Na dia teo aza izany rehetra izany, dia indro mbola hita ihany ny gazety Imongo Vaovao izay mivoaka isaky ny Alakamisy. Izany rehetra izany no ahazoa- milaza fa gazety manana ny maha izy azy ny gazety Imongo vaovao.

1.1.4- Ny tanjona kendren’ny gazety Imongo Vaovao Manana tanjona mazava ny gazety Imongo Vaovao. Noho izy safidy politika dia mifantoka kokoa amin’ny lafiny politika izany tanjona tian- kotratrarina izany.

21 Imongo vaovao 55taona, p 17 22 Imongo vaovao 55taona p 21 -22 13

Amin’ny ankapobeny dia mizara roa mazava ny tanjona kendren’ny gazety Imongo Vaovao, dia ny tanjona ankapobeny sy ny tanjona manokana izay fehezin’ny filamatra. Raha ny tanjona ankapobeny àry no ambara dia mifototra amin’ny fananganana rafi- piarahamonina “sosialista” izany. Raha adika tsotsotra izany dia izao: “Ny teny malagasy akaiky indrindra azo andikana izany angamba dia ny hoe: FIRAISAM- POKONOLONA. miray adidy sy andraikitra ao avokoa ny rehetra tsy misy avakavaka, ary samy tompon’ andraikitra sady tompon’ antoka koa amin’ izay rehetra iaraha- manao.” 23

Tanjona lavitra ezaka izany fa misy ireo ambaratonga napetraky ny mpanorina ny gazety mba hahatrarana io tanjona io ; nofeheziny ao anatin’ny atao hoe filamatra izany dia ny “FAHALEOVANTENA – TANY - FIADANANA - FANDRIAMPAHALEMANA - FIVONDRONANA” 24 “ Le liberté, l’Opinion, La patrie Malgace, La nation Malgache, Le prolétariat, Ny rariny, - LA justice -Mongo Fanilon’ny mpiasa, L’ Aurore Malgache… Ireo gazety ireo dia nirotsaka tamin’ny famotsipotsirana ny nafitsoky ny fanjanahantany : fanosihosena ny zon’ olombelona, fanitsakitsahana ny fahafahana fototra, fangalarana ny tanin’ny Malagasy,fanakambanana ny mpiasa sy ny tantsaha , fambaboana ny haren’ny Madagasikara ho an’ny tombotsoan’ny voanjo sy ny kolonialista frantsay.Ho fahatsiarovana izany no nandraisan’ Imongo vaovao ny teny filamatra ».25 Iaraha-mahalala fa mbola voazanaka i Madagasikara tamin’ny taona niforonan’ny gazety Imongo vaovao « 1955 », noho izany indrindra no antony nisafidianana ny teny hoe « Fahaleovantena » ka toy izao no faniriany amin’ izany : « Antenimieram-pirenena malagasy no takinay ankehitriny…ny tarigetra ambony irinay sy inoanay fa ho tratran’ity vahoaka ity Nosy ity : Repoblika Demokratika Malagasy »26

23 Gazety “ Fanasina” , lah 318, 21 novambra 1963 p 1 24 Imongo vaovao 55 taona, p 13 25 Imongo vaovao 55 taona, p 9 26 “Imongo vaovao”, lah 3, zoma 6 mai 1955, p 7 14

Tsy eo amin’ny sehatra politika ihany no notakina ny fahaleovantena fa eo amin’ny sehatra rehetra, mba hatratrarana izany dia noraisina ny teny hoe: « Tany ».

« Fenitra ambony tian’ Imongo vaovao hotratrarina araka izany ny famerenana ny tany midadasika nongotan’ ireo fikambanam- barotra vaventy ho eo am- pelatanan’ny mpamboly malagasy. »27

Anisan’ny teny filamatra noraisin’ny gazety ihany koa ny hoe « fiadanana », tsy ho tanteraka anefa izany raha tsy misy ezaka ataon’ny vahoaka ka noho izany dia :

« Manana andraikitra lehibe noho izany ny tia tanindrazana malagasy, hamelona ny fihetseham- pireneny, hanao izay hampiroborobo azy ka HIASA ho amin’ izany … Hitondra azy amin’ny fiadanana andrandrainy toy ny olom- banona rehetra. »28 Toa tsapan’ny mpanorina ny gazety fa mandeha ila ny tanjona raha ny lafiny fitondrana sy ny lafiny toe-karena ihany no ahitana vahaolana, ka dia notadiaviny izay rafitra mety hifanaraka amin’ny toe- tsaina malagasy. Noho izany indrindra no nandraisany ny teny hoe: « Fivondronana » ; hoy izy : “ Tsy ho feno anefa izany raha toa ka samy hiolonolona ny tsirairay koa nentanina ny olona haneho firaisana hina, inoany mantsy fa tsy ho tanteraka ireo lafin- kevitra hatolony antsika ireo raha tsy eo amin’ny fivondronana. Noho izany katsaho dieny izao “ny fivondronana” fa ny firaisana no hery, ny akanga maro tsy vakin’ amboa ”29

Fa anisan’ny sori-dalana nijoroan’ny gazety Imongo vaovao ny “Fandriampahalemana”, satria antoky ny fahaleovantena izy. Hoy izy:

“Miantoka tombontsoa be dia be ho an’ny firenena mantsy ny “fandriampahalemana” ka tokony ho- tandremana…satria ny ady dia tsy hitondra soa ho an’ ny vahoaka malagasy. Fahantrana somary asa an- terivozona (…) fampidirana an- tranomaizina no vokatry ny ady.” 30

27 “Imongo vaovao” lah 1, zoma 22avril 1955, p 1 28 “Imongo vaovao”, lah 1, zoma 22 avril 1955, p 3 29 “ Imongo vaovao” lah 1, zoma 22avril 1955, p 5 30 « Imongo vaovao » lah 4, zoma 13 mai 1955, p 3 15

1.2-Ireo karazan- dahatsoratra nivoaka tao amin’ny gazety Imongo vaovao

Tsy nivaona tamin’ny sori-dalana niorenan’ny gazety Imongo Vaovao ny karazan-dahatsoratra voarakitra ao anatiny. Noho izy safidy politika dia mibahan- toerana ao ny lafiny politika. Na izany aza, niezaka hampahalala sy hanadihady ny lafim- piainana maro ihany koa ny gazety. Araka ny nambaran’ny ray aman-dreny filoha mpanorina ny gazety Imongo Vaovao dia ahitana karazan-dahatsoratra maro ao amin’ny gazety; ao ny momba ny fiararahamonina, ao ihany koa ny momba ny toe-karena satria nanana mpikambana nandalina momba ny toe-karena tany ivelany ny gazety Imongo Vaovao dia i Rémi RAKOTOBE; ao ihany koa ny literatiora izay nanana ny andry niankinany ihany koa dia i Arsène RATSIFEHERA 31 . Araka io valinteny io dia azo sokajiana ho roa lehibe ny asa soratra hita ao amin’ny gazety: andaniny dia ny lahatsoratra mikasika ny fiainam-piaraha-monina ao anatin’ izany ny politika, ny teo-karena ary ny sosialy. Ankilany dia ny lahatsoratra momba ny teny sy ny literatiora malagasy.

1.2.1-Lahatsoratra momba ny fiainam-piaraha-monina Lafin-javatra maro no mamorona ny atao hoe fiaraha-monina, kanefa mba tsy hampisavoritaka ny asa dia hosokajiana telo izany: ny lafiny politika, ny lafiny toe- karena ary ny sosialy. Ireo no hovahavahana araka ny nahitana azy tamin’ny gazety ka arahina fanazavana fohifohy.

1.2.1.1- Lahatsoratra mikasika ny politika Ao amin’ny gazety Imongo Vaovao dia sehatra iray mibahan-toerana ny fampahalalana sy famakafakana ny fiainana politika. Tsy nahagaga izany satria gazety mitondra ny tenin’ny vahoaka izy. Miseho amin’ny endrika roa lehibe ary mifampiankina izany politika izany dia ny fiainana politika ivelan’i Madagasikara sy ny fiainana ara-politika eto Madagasikara.

31 Resadresaka tamin-dramatoa RABESAHALA (G). 16

Indro lahatsoratra roa no hoentinay mba hanehoana izany. Ny lahatsoratra voalohany dia mitondra lohateny hoe: “ solontenam-bahoaka 1.000.000.000 no mivory ao Bandoeng” 32 . Politika ivelany no resahina eto kanefa dia misy fifandraisany amin’ny raharaha politika eto Madagasikara izany .33 Ny lahatsoratra faharoa dia mitondra ny lahateny hoe: “Tao Bandoeng, Fahaleovantenantsika” 34 . Ity farany kosa indray dia miresaka sy mamakafaka ny akon’ny fivoriana tao Bandoeng amin’ny raharahan’i Madagasikara. Ireo lahatsoratra roa ireo dia arahina fandalinana avokoa ka niantomboka tamin’ny fampahalalana izany toy ny hoe: “Nisokatra ny 18 avril teo ny tany Bandoeng (Indonezia) ny fivorian’ny firenena Aziatika sy Afrikana” 35

Fa tsy mijanona tamin’ny fampahalalana amin’ny mpamaky ny zava-nisy ny mpanao gazety fa miezaka mamintina ireo foto-kevitra nobanjinina tany mba hahalalan’ny vahoaka malagasy ny fandehan’ny politika any ivelany any. Toy izao no namintinany izany: “ Zava- dehibe maroloha no nodinihin’ireo mpivory amin’ izany: Ny fiarovana ny fandriampahaleman’ izao tontolo izao; Ny fampandrosoana ara- toe- karena sy ara-tsosialin’ny firenena Aziatika sy Afrikana; ny fitandroana ny fihavanana sy ny firaisan’ ireo firenena ireo” 36

Tsy mionona amin’izay ny mpanao gazety fa mampifandray ireny zava-nisy rehetra ireny; amin’ izany no ampieritreretany ny mpamaky amin’ny adidy sy andraikitra tandrify ny tsirairay. Hoy indrindra izy:

“Velom-panontaniana ny vahoaka malagasy eo am- piandrasana izay ho vokatry ny fivoriana ao Bandoeng, ny hoaviny koa no hodinihina any” 37

32 Imongo vaovao 55taona p 1 33 Tovana lah voalohany 34 « Imongo vaovao » , zoma 29 avril , 1955,p 1 35 « Imongo vaovao » , zoma 29 avril p 1 36 « Imongo vaovao » zoma 29 avril p 1 37 “ Imongo vaovao”lah 1, p 2 17

Araka ireo rehetra ireo dia politika maneran-tany no voizin’ny gazety, ezahiny ny hampahalala amin’ny mpamaky hatrany ny fifandraisan’ny zava-misy any ivelany amin’ny raharaham-pirenena malagasy. Hamafisin’ny gazety tokoa izany andraikitra politika izany ka hoy izy: “Imongo vaovao ho gazetin’ny tia tanindrazana malagasy rehetra izay mahatsiaro fa miroso tsy hay tohaina intsony ny fihetseham- pahafahan’ny vahoaka voazioga eran- tany ; manana andraikitra lehibe noho izany ny tia tanindazana malagasy , hamelona ny fihetseham- pireneny, hanao izay hampiroborobo azy ka hiasa amin’ izany” 38

Toy izany santionany amin’ny endriky ny lahatsoratra politika izay notaterina tamin’ny mpamaky ny gazety Imongo vaovao. Fa mba nanao ahoana kosa ny teo amin’ny lafiny toe-karena?

1.2.1.2- Lahatsoratra momba ny toe-karena

Anisan’ ny toko iray lehibe faharoa eo amin’ny fiainam- piaraha-monina ny lafiny toe-karena; noho izany tsy afa-misaraka amin’ny fiainam-pirenena izy. Andry iankinan’ny firenena ny toe-karena ka izany no tsy maintsy handalinana ihany koa ny zava-nisy tany ivelany sy ny fiantraikan’izany eto Madagasikara. Raha momba ny gazety Imongo Vaovao no asian-teny dia hita fa nanana mpandalina manokana momba ny toe-karena izy tamin’ izany fotoana izany dia i Rémi RAKOTOBE. Raha ny lafiny toe-karena dia mazava ny hevitry ny gazety Imongo Vaovao: ny fakana ny tany izay nongotan’ireo fikambanam-barotra vaventy teo am-pelatanan’ny Malagasy sy ny famerenana izany amin’ny mpiasa malagasy indray. Io ihany no hany fihariana mety amin’ny Malagasy, izany hoe mifototra amin’ny zava-misy eto an- toerana. Toy izao no famintinany izany: “Repoblika demokratika Malagasy izay hifototra amin’ny fahafahan’ny sosialin’ny mpiasa sy ny hahatonga ny TANY EO AM-PELETANAN’NY MALAGASY” 39

38 “Imongo vaovao” lah 1 , p 1 39 Imongo vaovao lah 4 zoma 13 mai 1955 p 7 18

Fa ankoatra izany, miresaka ny zava-nisy sedrain’ny orinasa teto ihany koa ny gazety. Lahatsoratra iray no entinay eto izay mitondra ny lohateny hoe: NY JIRO Milaza ny heviny momba ny fampiakarana ny jiro sy ny rano ataon’ny tompon’ andraikitra ny gazety eto ka hoy izy: “Tsy tokony hasondrotra ny vidin- javatra maro mpila, anisan’izany ny rano sy ny jiro electricité” 40

Izany soso-kevitra izany dia arahina fitakiana izay mba handraisan’ny Fanjakana ny orinasa sy ny tsy fiankinana amin’ny mpandraharaha vahiny. Hoy izy: “Koa takianay eto amin’Imongo vaovao ny tsy hanavaozana intsony ny fanekena nifanaovana tamin’ny companie” 41

Raha fehezina izany dia hita fa fitadiavana fahaleovantena ara-teo-karena no foto- kevitra ijoroan’ny gazety Imongo vaovao ka hifantoka amin’ny zava-misy eto an- toerana dia ny TANY izany araka ny filamatra napetrany dia ny hoe: Fahaleovantena- Tany-Fiadanana-Fandriampahalemana-Fivondronana

1.2.1.3- Lahatsoratra momba ny sosialy Amin’ ny maha fitaovam-pifaneraserana mahomby ny gazety dia manana anjara asa lahibe eo amin’ny fiaraha-monina izy, anisan’ izany ny fampianarana ny mpiara- belona amin’ny tena. Ity zana-pizarana ity araka izany no toko fahatelo sady farany mahamasa- nahandro ny fiainam-piaraha-monina; ato no ametrahanay ny momba ny fahasalamana, ny fampianarana …ary manampy izay ny fialam-boly isan-karazany. Anisan’ny manamafy ny fototra iorenan’ny gazety ny lohahevitra velabelarina ato. Saika omena lanja ny fampianarana, izany hoe ny olana fototra eo amin’ny fiaraha- monina no voiziny. Anisan’ny lahatsoratra maneho izany ity noraisinay ity izay mitondra ny lohateny hoe: “Rahoviana no halalalaka ny fampandrosoana ny fampianarana”42 . Io lahatsoratra io dia manamafy ny foto-kevitra ijoroan’ny gazety ary mampiseho ny tsy fankasitrahany ny fitsabatsabahana amin’ny fampianarana.

40 Imongo vaovao , lah 2, p 5 41 Imongo vaovao , lah 2 p 5 42 tovana laharana fahatelo 19

Fa mbola momba ny olana eo amin’ny fampianarana ihany no vahavahany amin’ ity lahatsoratra faharoa ity izay mitondra ny lohateny hoe: “Fampianarana Demokratika”. Asongadiny ao ny fahorian’ny ray aman-dreny manoloana ny rafi-pampianarana nisy. Hoy izy raha nilaza izany:

“Mimenomenona ny ray aman- dreny fa tsy araka intsony ny saram- pianaran’ny ankizy. Fahoriana ao an- tokantrano noho ny fihafiana mba hahato ny faniriana hanome fahalalana mendrika ny andro ankehitriny” 43

Fa anisan’ny mampiavaka ny gazety Imongo vaovao ny tsy fisalasalany milaza ny heviny aorian’ny tsikera ataony. Izany soso-kevitra izany dia tsy mivaona amin’ny sori- dalana napetrany fa manampy fanazavana kokoa momba izany aza. Hoy izy:

“ Fa hafa kokoa ny fandrosoan’ny fampianarana ny fanolokoloana ara- tsaina rehefa ny vahoaka no mitondra ny taniny .” 44

Tsy ny teo amin’ny fampianarana ihany akory no nahitana olana fa anisan’ ireny ihany koa ny tontolon’ny mpiasa. Maneho izany ohatra ity ampahan-dahatsoratra iray ity izay mitondrany lohateny hoe: “ Ny Fonctionnaires” 45 . Ao anatin’io lahatsoratra io dia miezaka ny mpanao gazety mba hampahalala amin’ny mpamaky ny zava- misy eo amin’ny fiaraha- monina ohatra ny hoe: “ vory marobe ny mpiasam- panjakana tamin’ny zoma 15 avril teo nihaino ny famelabelarana nataon’ny komitim-pivondronan’ ny syndicat chretien de la fonction publique” 46

Io lahatsoratra io dia miezaka mampatsiahy ny mpamaky ny tokony ho anjara toeran’ny mpiasam-panjakana eo amin’ny firenena iray. Fa amin’ izany ihany koa no anaovany antso avo amin’ny fampieritreretana azy ireo amin’ny adidiny eo amin’ny firenena.:

43 Imongo vaovao, lah8 zoma 10 jona, 1955 p 7 44 Imongo vaovao, lah 8 zoma 10 jona p 7 45 Tovana laharana fahaefatra 46 “Imongo vaovao” lah 1, zoma 22avril ,1955 p 6 20

“Endrika iray tokony hanintona ny sain’ny mpiasa izany mba hahatsiarovany tena fa adidiny ny mitaky amnistie ”47

Toy izay ny ambangovangony hita momba ireo lafim- piainana telo ireo; na izany aza dia ilaina ihany ny manao fanamarihana tsotsotra. Nandritra ny taona voalohany nivoahan’ny gazety 1955 dia ny olana lehibe teo amin’ny fiainana no hita tena nisongadina tamin’ny gazety. Inoana fa noho ny tarigetra izay napetrany no anton’ izany. Na izany aza dia nahitana sombintsombim-baovao ihany tamin’io taona io. Hamaranana izany dia inty ampahan- dahatsoratra iray mamintina izay tena tian’ Imongo vaovao hotratrarina eo amin’ny fiainam-piaraha-monina: “ Mazava tokoa ( …) ny fenitra ambony tian’ Imongo vaovao amin’ny farany: Repoblika Demokratika Malagasy; famerenana ny tany midadasika nongotan’ ireo fikambanam- barotra vaventy , ho eo am- pelatanan’ny Malagasy, fanafahana ny sosialin’ny mpiasa izay iaraha- mahita fa fototry ny fiainana n’ aiza n’aiza” 48

1.2.2- Lahatsoratra momba ny teny sy ny literatiora malagasy: Ity zana- pizarana ity no nofidinay aseho farany noho izy fototry ny asa fikarohana ataonay. Araka ny famadibadihana ny gazety izay nivoaka ny taona 1955- 1972 no nahafahanay nanasokajy ho roa ny vokatra atolotra. Voalohany, momba ny teny malagasy ranofotsiny ary faharoa dia momba ny ireo karazana asa soratra maro voarakitra ao amin’ny gazety.

1.2.2.1- Lahatsoratra momba ny teny malagasy Samy manana ny mampiavaka azy ny gazety tsirairay avy ary ireny no tena ilaina mba hahafahana mitaratra ny foto- kevitra ijoroan’ny gazety. Fa andeha ny mampiavaka ny gazety Imongo Vaovao no raisintsika.Tsy menamitaha amin’ny gazety hafa ny gazety Imongo vaovao, inoana fa ny fananany manam- pahaizana maro no anton’ izany.

47 “ Imongo vaovao” lah 1, zoma 22avril ,1955 p 6 48 “Imongo vaovao”, lah 1, zoma 22avril ,1955 p 3

21

Azo ambara fa manana ny maha izy azy ity gazety ity ka anisan’izany fampanjakana ny teny malagasy ao amin’ny gazety. Taratra mantsy fa saika amin’ny teny malagasy avokoa ny lahatsoratra velabelarina ao amin’ny gazety.

Ny lohateny ihany no miseho amina endrika telo dia ao ny teny frantsay, ao ny teny malagasy, hita ihany koa indraindray ny teny frantsay nogasiana. Ny anton’ izany araka ny fandinihana natao dia izao: noho isika (Malagasy) mbola tao anatin’ny fanjanahantany dia natao io mba ho fisarihana ny mpamaky; raha ny teny frantsay manokana, dia izao no azo ambara: mety ny tsy fisian’ ny voambolana malagasy mahalaza tsara ny tiana ambara ka voatery mampiasa ny teny frantsay na teny frantsay nogasiana. Manampy izany, endriky ny fitiavan-tanindrazana tao amin’ ireo mpikambana ihany ny fampiasana ny teny malagasy ho famelomana azy hatrany. Na izany aza anefa, ny zava- nisy teo amin’ny lohateny dia niezaka ny mpanao gazety mba hanolotra ny vontoatin’ny famelabelarana amin’ny teny malagasy madio. Tsapa fa nanao ezaka goavana tokoa ny mpanao gazety mba hampanjakana ny teny malagasy; izany dia ho fitandrovana ny anjara toeran’ny gazety .

“ Maro tamin’ ireo mpahay tantaran’ i Madagasikara, sy ny mpandalina ary ny mpanao politika niaina ny 50 taona lasa (…) no nanipika ny anjara toeran’ny gazety nivoaka mialohan’ny fiverenan’ny fahaleovantenan’ i Madagasikara” 49

Araka izany dia nosafidina ny teny malagasy mba hahazoana maneho ny zava- misy marina eo amin’ny fiaraha- monina. Raha atao amin’ny teny vahiny mantsy ny lahatsoratra dia ampahana olom- bitsy ihany no mahazo izay lazaina fa raha amin’ny teny malagasy kosa dia miantefa indrindra amin’ny malagasy ny hafatra. Izany no ahafahana milaza fa nanana ny anjara toerany ny gazety amin’ny teny malagasy tamin’ ity vanim- potoana ity noho izy ahafahana niaro ny tanindrazana tamin’ny alalan’ny fitaizany ny vahoaka 50 ,

49 “ Imongo vaovao”, zoma 02 Jolay 2010, p. 3. 50 Lucile RABEARIMANANA, op cit p.8 “La presse d’opinion en langue malgache …supporte seule pendant de longue années la lutte nationaliste »

22

Ahafahana milaza mivantana na ankolaka izay tiana ambara ka ny olona iantefany dia tsy manana olana amin’ ny fandraisana izany. Izany dia midika ho famelomana sy fanomezan- kasina ny teny malagasy , ny maha malagasy ary indrindra ny fampisehoana ny maha ny firenena an’i Madagasikara.Tsapa araka izany fa nisy tolona natao ihany koa teo amin’ny fikajiana ny teny malagasy fa tsy teo amin’ny tolom- panafahana ny firenena ihany akory no nisy. Ankoatra izany, tsy nionona tamin’ny fanomezan-danja ny teny malagasy ny gazety fa mbola nohamafisiny tamin’ny fampisehoana ireo zava- kanto vita amin’ny teny ihany koa izany. Nanomboka ny taona 1956, taona faharoa nisehoan’ ny gazety dia efa nahitana ireo karazan- dahatsoratra maro tao amin’ny gazety Imongo vaovao ka ireny no ndeha hojerena manaraka.

1.2.2.2- Lahatsoratra momba ny literatiora Mitana anjara asa lehibe tokoa ny literatiora malagasy ao amin’ny gazety Imongo vaovao. Izy mantsy no fitaovana hanamafisana ny foto- kevitra ijoroan’ny gazety. Misy karazany maro araka izany ireo lahatsoratra nentina nandresy lahatra ny mpamaky.Voalohany, ny poezia izay samy manana ny hafatra tiany hampitaina. Ohatra ny hoe “Antitra aho” “ Nifanena isika Nifanena indray Dia nifanena koa Isika ankehitriny Ny maso sy ny eritreritra K’ ilay fitia fahiny Niteraka fitia Mipongatra, Mandroatra Samihafa anefa Saingy indrisy anefa ny lalana nombana F’ efa antitra aho”

A.R Araka io ahitana azy io dia poezia natao hialam-boly izy io, natao hamalifaly ny saina. Araka izany, manana anjara amin’ ny fampilam- boly koa ny gazety amin’ ny alalan’ny fampisehoana ireo zava- kanto toy izao

23

Fa ao ihany koa ny natao hanehoana ny fiainan’ny Malagasy .Ohatra “ Rahoviana” “Miasa, mifofotra Rampiasatany Tsy kivy miezaka hatrany hatrany Miavosa ny vokatra ka e miramirana Fa hanan- tahiry ka tsy ho sahirana Kanefa tsy izany no zava- nitranga Hay manodoka ny soratr’ akanga? Rehefa natao ny manala, manampy Ny sisa tavela dia indro fa tsy ampy Ikoto sy Ikala voatery nalana Izay ambim- bola aloha tsy ho hita Ny saram-pianarany indrisy fa banga Fa ny hetra fandoa aza zara raha vita” Ny VOLONANDRO 51

Toy izany ny toe-javatra niainan’nyMalagasy tamin’ izany fotoana izany, miasa mafy kanefa toa tsy hita izay mangirana. Namela dindo teo amin’ny mpanoratra ireny ka indro voarakitra ho tantara ao anaty literatiora malagasy. Nahitana tantara indray miseho ihany koa ao amin’ny gazety Imongo vaovao izay mampiseho ny andavanandron’ny Malagasy dia ny fahantrana maro isan-karazany. Notsongaina tamin’ ireny ohatra inty entinay eto inty izay nampitondrainy ny lohateny hoe: RABEMAHEFA MIANAKAVY; Toy izao no tenin’ ilay raim- pianakaviana amin’ izany: « Ankoatra izany dia tsapanareo fa misondrotra daholo ny vidin- javatra rehetra amin’ izao fotoana izao koa dia tsoriko aminareo fa dia idiran- trosa izahay ray aman- dreninareo... »52

Ankoatra izany, nahitana sombin- tantara ihany koa, izay efa nakamban’ny mpanoratra ao anatina lohateny iray. Tsy hohalalinina eto ity sehatra iray ity noho izy mbola seha- pikarohana iray lehibe. Kanefa na izany aza dia tsara ny manamarika fa ny sori- dalan’ny gazety Imongo vaovao no tohanany izany hoe, ny votoatin’ny tantara dia manohana ny foto- kevitry ny gazety.

51 Imongo vaovao lah. 3987, 19 Août 1969, p.2. 52 Imongo vaovao lah.3879, Talata 8 Avril 1969, p.2. 24

Fa anisan’ny iray tena nivaingana dia ny tantara foronina malagasy. Tsy hiditra lalina amin’ ity isika eto satria noho izy fototry ny asa fikarohana ataonay dia nomena toerana manokana mihitsy. Ireny asa soratra rehetra ireny dia nisy mpikambana tena mahafatra- po tokoa nikarakara azy dia i Arsène RATSIFEHERA. Araka izany, hita fa nomena anjara toerana lehibe tao amin’ny gazety ny literatiora malagasy. Izany akory tsy midika hoe tsy nisy mpanoratra hafa nanoratra tao. Fa araka ny famakafakana ato amin’ity asa ity dia nahitana karazana mpanoratra maro tato. Toy izay ny amin’ ny tontolon’ny gazety sy ny tantara foronina fa ndeha kosa hojerena ny amin’ny tontolo iainana nandritra izany vanim-potoana izany.

25

II - FANADIAHADIANA NY ZAVA-NISY ARA-TANTARA

Tsy singan-javatra miavaka eo amin’ny fiaraha-monina akory ny literatiora fa singa iray miankina indrindra amin’ny fiainam-piaraha-monina na ny firenena izy araka ny nambaran-dRavelojaona hoe: “Ny zava-dehibe midona amin’ny olona no manefy sy fihetseham-pony, ary ankoatra ny entin’ny tsirairay dia misy ny entin’ny firenena” 53

Araka izany dia ny vokatry ny zava-misy eo amin’ny firenena no asehon’ny literatiora.Noho izany, alohan’ny hanadihadiana ny literatiora (ny tantara foronina) dia tsara ny hahalalana ny zava-nisy teo amin’ny fiaraha-monina. Ny haitsikera rahateo dia niainga avy tamin’ny fandinihan’i WALLEK& WARREN izay mampifandray ny tantaram- pirenena amin’ny tantaran’ny haisoratra sy ny zava-misy samihafa manodidina ny mpanoratra sy ny asa soratra. Noho izany, ireo zava-nisy isan-karazany nisy akony eo amin’ny tantara foronina no aseho eto ka atomboka zava-nisy naneran- tany izany ary avy eo dia hojerena ny zava-nisy teto Madagasikara. Raha te hanazava ireny tantara foronina ireny mantsy isika dia tsy maintsy fantarina aloha ny antony niteraka izany. Hifantoka amina vanim-potoana roa lehibe ny asa eto: ny tapany faharoa amin’ny fanjanahantany (1939-1960) sy ny fahaleovantenan’i Madagasikara (1960- 1972). Misy antony maromaro mahatonga izany safidy izany: voalohany dia fanamafisana ny tantaram-pirenena, faharoa manaraka izany tafiditra ao anatin’ny fandaharam-pianarana ireo, ary fahatelo sady farany mifandray mivantana amin’ny tantara ireo noho izy loharano iray niteraka ny tantara ka tsara araka izany ny hanaovana famintinana azy . Hizara roa araka izany ny asa ka ny voalohany dia momba ny vanim-potoana 1939-1960, ny faharoa dia ny 1960-1972. Ireo vanim-potoana roa ireo dia samy hanaovana jery todika ny zava-nisy tany ivelany sy teto Madagasikara.

53 « Fanasina », lah 593, 1968 26

2.1--Ny zava-nisy nanamarika ny vanim-potoana 1939-1960 Maro ireo toe_ javatra nisongadina teo anelanelan’ ny taona 1939- 1960 saingy tsy àry ho voatanisa eto avokoa izany koa andeha izay mifandray amin’ny fanadihadiana no hojerena .Atomboka amin’ny tany ivelan’i Madagasikara izany.

2.1.1-Tany ivelany Nanova ny tantaran’i Madagasikara tokoa ny zava-nisy tany amin’ ireo firenena hafa tany ivelany. Iaraha-mahalala fa mbola tao anatin’ny fanjanahantany i Madagasikara tamin’ny taona 1939. Anisan’ny nibahan-toerana ny lafiny politika ka izay no hanombohantsika azy . Ny taona 1939 no nanombohan’ny ady lehibe faharoa izay nifanandrinan’ny Alemana, Italia, Japana andaniny ary ny Frantsay, Angletera, Rosia ankilany. Ny ady dia nifarana tamin’ny taona 1945. Azo ambara fa nizara roa izany ady izany, ny tapany voalohany dia ny 1939 ka hatramin’ny 1941 izany nanjakan’ny tariky ny Alemana tanteraka. Simba sy rava noho izany ny tariky ny frantsay. Ny tapany faharoa dia ny 1941 ka hatramin’ny 1945. Noho ny fidiran’ny Amerikana tamin’ny ady dia nivoaka mpandresy ny tariky ny frantsay. Ny fahalemen’ny frantsay tao anatin’ io ady io dia nanimba ny voninahiny taty amin’ny zanataniny.54 Manampy izany, nisy ihany koa ny fipoiran’ ireo firenena matanjaka izay tsy nankasitraka ny fanjanahantany anisan’ ireny URSS sy Etats-Unis 55 . Ho an’i URSS ny firehan-kevitra sosialista dia tsy mifanaraka amin’ny fanjanahantany. Ho an’i Etats-Unis kosa, ny fanjanahantany dia manohitra ny tanteraka ny demokrasia ary manakana ny imperialisma amerikana. Fa ankoatra izany, anisan’ny nanome vahana ny firenena voazanaka ny fiforonan’ny firenena mikambana tamin’ny taona 1941 izay lasa fitaovana fanapotehana ny fanjanahatany56 . Nisongadina tamin’ izany fa tokony hitovy ny zon’ny olona rehetra, ary tsy misy ambony sy ambany izany.

54 BOITEAU (P), Contribution à l’histoire de la nation malagache , Editions Sociale, paris 1958, 445p « La deuxième guerre mondiale a mené d’immenses changements quant aux rapports des forces sur le plan mondial » p 258 55 PASCAL(R), la république malgache, Editions BERGER – LEVRAUT, Paris, 1965 « la guerre n’était pas terminée, qu’à Yalta, Roosevelt (…) entendait provoquer et controler la libération des peuples colonisés pour les attirer dans l’orbite amércaine » p 42 56 PASCAL (R) op cit, « L’ ONU devenue une machine de détruire les empires coloniaux » p 43

27

Nanosika izany tsy fankasitrahana izany ny dinika natao tao Brazzaville izay nandinihana ny momba ny raharahan’ny zanatany ka hanomezana fahafahana ho azy ary fiainana politika vaovao. 57 Fa mbola anisan’ny nanan-danja ihany koa ny fipoiran’ny hery fahatelo izay nitsangana nanome vahana kokoa ny firenena voazanaka. Ny anton’izany dia lasa enta- mavesatra ho an’ny firenena mpanjanaka ny firenena voazanaka ka tokony homena ny fahaleovantenany saingy mijanona ao anatin’ny firaisam-be frantsay .58 Vao mainka nanafaingana ny fialan’ny frantsay amin’ny fitantanana ny raharahan’ny zanatany ny dinika tao Bandoeng, io mantsy no nametraka fa tsy maintsy faranana ny fanjanahantany ary omena ny fahaleovantenany ny firenena voazanaka 59 . Araka izany dia niteraka ny fanantenan’ny tany voazanaka ireny rehetra ireny. Nitohy vakana ny fanoherana ny fanjanahan-tany ka indro fa niditra amin’ny raharaha politika ny fiangonana, tamin’ izany no nanambarany fa mitovy avokoa ny olona eo anatrehan’Andriamanitra. Noho izany dia nentanina ny firenena voazanaka mba tsy ho kivy.Ankilany, nivavahany ireo firenena mpanjanaka mba hanomana lalana ho amin’ny fahafahan’ny firenena voazanaka.

2.1.2- Teto Madagasikara Tsy nandalo fotsiny teo an-tsofin’ny Malagasy ireny zava-dehibe nitranga naneran-tany ireny fa nisy akony tokoa teo amin’ny fiainam-pireneny, namoha ny fitiavan-tanindrazana tao amin’ ireo Malagasy maro izany tantara izany. Tonga saina ny Malagasy manoloana ny mpitondra sy ny tsy rariny ataon’ny mpanjanaka. Izany fahatongavan-tsain’ny Malagasy izany dia hita teo amin’ny lafim-piainana rehetra, fa ndeha hojerentsika ny zava-nisy teto ka nahatonga izany.

57 PASCA(R) Op cit, « c’est de la conférence de Brazzaville qu’ est né le courant qui devait, au cours des années 1945 et 1946, libere les sujets d’outre – mer et leur apporter une vie politique » p59

58 PASCA(R) op cit : « un essai de collaborateur franco – Malgache fut tenté le 23 février 1948, ils lancèrent une 3 ème force (…) il mena des campagnes contre l’Administration,…pour l’accesion de Madagascar à l’independance des cadres dans l’Union francaise » p101 59 Lucile(R), op cit : « La conference déclare : les colonialismes dans toutes ses manifestations est un mal auquel il doit être mis fin rapidement » p 253 28

2.1.2.1- Teo amin’ny lafiny politika:

Tamin’ny taona 1939- 1960 dia mbola tao am-pelatanan’ny Frantsay ny fanjakana malagasy. Izy araka izany no masin-mandidy teto; niharihary izany teo amin’ny lafiny fitondrana, nanjaka tokoa ireo mpitondra hatrany amin’ny fara tampony ka hatramin’ireo mpiandraikitra taty ambany. Nanao izay tiany hitondrana ny vahoaka izay olom-boatendry teo amin’ny fiaraha-monina 60 . Araka izany, tena natao tsinontsinona ny Malagasy, natao fanangonan-karena, tsy mba nanana izay anjara toerany fa toa nandevozina satria lasan’ny frantsay avokoa ny toerana ambony rehetra mpibaiko fa ny malagasy dia natao ho baikona hatrany 61 .. Vokatr’izany fanjakazakan’ny frantsay izany dia maro ireo Malagasy no tonga saina ka niray tao amin’ny antoko mba hitaky ny fahaleovantenan’ i Madagasikara. Anisan’ireny antoko ireny ny PANAMA 62 izay niezaka handrombaka ny fahaleovantena tsy misy fampiraharahana. Ao ihany koa ny PDM 63 izay nitaky ny fahaleovantena araka ny fifanarahana vita tao san Francisco. Fa anisan’ny tena nanan-danja tamin’ ireny ny MDRM, izay nivondronan’ ireo avara-pianarana malagasy, anisan’izany RAVOAHANGY sy RASETA izay voafidy ho solon-tenan’ny Malagasy tao amin’ny fitondrana. Niforona ny aprily 1946 tany Frantsa ity antoko ity 64 ary antoko tena natanjaka ka nikendry ny fahalalahana ara-piaraha-monina sy ny fitovian-jo eo amin’ny Malagasy rehetra ary indrindra mpiahy ireo vahoaka sahirana. Nisafidy ny fahaleovantena madio mangarangarana azo avy amin’ny fampiraharahana ny antoko MDRM ary izy no nanao hetsika lehibe ho fitakiana ny fahaleovantena tamin’ny taona 1947. Nanomboka teo dia nirongatra ny fitakiana fahaleovantena ary nanampy tosika izany ny gazety indrindra ireo tamin’ny teny Malagasy.

60 ALTHABE, Oppresion et libération dans l’imaginaire . Editions Francois M, paris 1969 :« Le chef de canton, les agents du service d’Agriculture (…) veulent « gouverner », au sens plein du terme, pour eux : gouverner : c’est transformer les villageois à travers les critères de valeurs qui sont les leurs » p 30 61 BOITEAU (P) op cit « Tous les postes de commande (…) sont entre les mains des francais « p297 62 Parti Nationaliste Malgache 63 Parti Démocratique Malgache 64 SPACENSKY (A), Madagascar 50 ans de vie politique de Ralaimongo à Tsiranana , nouvelle Editions Latine, Paris, 1970 : «Après leur élection à la premiere constituante, Ravoahangy et Raseta avaient rencontrés à Paris des intellectuels Merina fixent dans la capitale française » p 46 29

Rehefa nahita izany fitondrana izay mpomba ny frantsay dia nanangana ny antoko PADESM 65 mba hamotehana ny MDRM 66 . Ny tanjon’ny PADESM dia ny hampifandona ny vahoaka avy eto afovoan-tany sy ny tany amorontsiraka. Manoloana izany dia sahiran-tsaina ny Frantsay ka voatery nanomana lalàna vaovao momba an’i Madagasikara izay natao hoe: “lalàna lasitra”67 . Io lalàna lasitra io no nanome vahana kokoa ny fahafahan’ny Malagasy sy ny fireneny. Ny vontoatin’ny lalàna lasitra dia ny hoe: “ omena ireo olom-boafidy Malagasy ny fahefana any amin’ny faritra tsirairay, saingy raha misy ny fanapahan-kevitra lehibe dia ny Frantsay ihany no tompony”. Rehefa nihatra io lalana io ary natao ny fifidianana izay olona hitondra ny faritra dia ny mpomba ny MDRM no lany, ka ireo olom-boafidy ireo no nifanaraka fa ho takina ny Fahaleovanten’i Madagasikara. Nanampy izany koa ny fivondronan’ireo antokon’olona hafa ho amin’ny antoko iray dia ny AKFM 68 ( (Antoko Kongresin’ny Fahaleovanten’ i Madagasikara). Ny tanjony dia ny fahaleovantena madio mangarangarana. Ireny antoko rehetra ireny dia samy niezaka sy nikendry ny hahaleovantenan’i Madagasikara avokoa saingy ny fomba hanatanterahana izany no samy hafa. Rehefa hitan’ny mpitondra frantsay mantsy fa tsy hitsahatra mihitsy ny fihetsiketsehana sy fanoherana nataon’ ny Malagasy raha tsy azony ny fahaleovantena; teo koa ny olana maro nifamahofaho teo amin’ ny ireo zanatany rehetra mikasika ireo firenena mpanjanaka dia nanapa-kevitra ny hampanao fitsapa-kevi-bahoaka izy ny 28 septambra 1958. Toy izao no votoatin’izany: -Raha ENY: manaiky fa fitantanana amin’ny endrika federaly no atao amin’ ny zanatany - Raha TSIA: fahaleovantena tanteraka izay midika hoe: fialana ao anatin’ ny firaisambe frantsay .Lany tamin’ izany ny Eny ka dia nijoro ny repoblika voalohany izay notantanan’i TSIRANANA Philbert.

65 « Parti des Desherité de Madagascar » 66 SPACENSKY (A) op cit : « Pour détruire l’ hégemonie merina, le PADESM fut officiellement crée en 1946 » 67 PASCAL(R) op cit: “Le gouvernement francais adopta en ensemble de mesures connues sous le nom de loi cadre” p 67 68 PASCAL(R) Op cit : « L’ AKFM (…) est le parti du congrès de l’Indépendance de Madagascar, il est né en mai 1958 à Tamatave, de la fusion de plusieurs partis et organisations nationalistes » p72 30

Izany dia midika fa foana ny lalàna maha zanatany an’ i Madagasikara. Nanaovan’ny frantsay fanambarana izany ny 14 oktobra 1958 . 2.1.2.2-Teo amin’ny lafiny toe- karena Noho ny ady lehibe faharoa izay natrehan’i Frantsa dia sahirana izy. Fa ankoatra ny vatan-dehilahy malagasy nalefa tany mba hanampy azy amin’ny ady dia nandray anjara betsaka tokoa ny Malagasy tamin’ny famatsiana ara-tsakafo sy ireo vokatra maro ilain’ i Frantsa. Tsy afaka nanda izany ny Malagasy, satria mbola tany zanahin’i Frantsa, noho izany tsy maintsy manao izay tadiaviny.Vokatr’izany, nihamafy ny fanerena ny olona hiasa, manampy izany ny asa an-terivozona sy ny karatra isan-dahy 69 Teo anatrehan’izany dia nijaly ny vahoaka malagasy satria izay ambinambiny no nataon’ny Malagasy sakafo fa i Frantsa no tsy maintsy voalohan-daharana. Mba hatratrarana izany dia nohavaozina ny toe-karena taty amin’ny zanatany; natao izay hitodihana kokoa amin’izay ilain’i Frantsa. Tsy teo amin’ny vahoaka malagasy ihany no nisy akony ny faneren’ny mpanjanaka fa indrindra teo amin’ny firenena indrindra. Lasa toeram-pamokarana akora ho an’i Frantsa i Madagasikara kanefa dia vidiny amin’ny vidiny mora be izany 70 Raha atao bango tokana dia izao no azo ambara: nahantra sady nijaly ny vahoaka malagasy ary ny firenena dia tafiditra tamin’ny fahantrana lalina. Araka izany, nanjaka fanararaotana sy ny hafetsena maro samihafa, nampiharina ny asa anterivozona. Niharihary tamin’ny vahoaka malagasy ny tsindrihazolena sy ny tsy rariny nataon’ ireo mpanjanaka ka nahatonga saina azy mba hitaky ny fahaleovantena eo amin’ny sehatry ny toe-karena.

69 BOITEAU (P) Op cit « Le travail forcé, sous des formes diverses, apparaît bien ainsi comme l’une des caractéristique du régime coloniale » p 266 70 BOITEAU (P), Op cit « Madagascar doit être un fournisseur des matières prèmieres pour l’industrie francaise » p 252 31

2.1.2.3- Teo amin’ny lafiny sosialy sy ny kolontsaina Raha vao voazanaka i Madagasikara tamin’ny taona 1896, ny anisan’ny nimasoan’ireo mpanjanaka dia ny fampidirana kolontsaina sy ny fomba amam-panao vahiny, izany hoe, ny fomba fisainana sy ny fomba amam-panao malagasy no nopotehina voalohany satria ireny fomba ireny dia anisan’ny fototra maha firenena ny firenena iray. Mba handontoana ny sain’ny Malagasy dia nezahina noravana ny kolontsaim-pirenena ananany. Maro ny fomba nentin’ny frantsay namboatra izany toe-tsaina izany. Nisongadina tamin’ izany ny lafiny fampianarana: teny frantsay no nenti-nampianatra nanerana ny faritra rehetra eto Madagasikara sady namolavolana sy zaza malagasy 71 miara-dalana amin’izany ny fomba amam-panao. Fa ankoatra izany, anisan’ny nisongadina ihany koa ny sivana, saika nahitana izany avokoa ny teo amin’ny sehatra fanaovan-gazety, ny literatiora, …Ireny teritery maro isan-karazany ireny no nahatonga saina ny olona ka nahatonga azy hitroatra manoloana ny zava-misy hany ka na dia nahery aza ny sivana dia niezaka ireo mpanao gazety mba hamoaka lahatsoratra, hankaherezana ny olona mba tsy ho kivy na dia mafy aza ny manjo 72 . Tamin’ izany dia niezaka ireo mpanao gazety mba hitaiza ny vahoaka malagasy ary ho tia ny tanindrazana. Fa tsy latsa-danja noho izany ny ezaka nataon’ ireo mpanoratra malagasy noho ny fahatsapany ny tsy rariny ataon’ireo mpanjanaka sy ny habibiana dia niezaka izy ireo haneho izany amin’ny fomba ankolaka. 73

71 BOITEAU, op cit : « La langue francaise, (…) doit devenir la base de l’enseignemant dans toutes les écoles de l’île » p 301 72 Lucile RABEARIAMANANA, op cit : « D’une situation politique incertaine et confuse, la presse joue ainsi un rôle primordiale (...) et constitue véritablement une de force et devient l’appui principal de toute opposition à l’autorité coloniale » p 8 73 BOITEAU, op cit : « la littérature joue une rôle dans la lutte du peuple malgache » p 301 32

2.2- Ny zava- nisy tamin’ny vanim- potoana 1960 _ 1972

Anisan’ny vanim-potoana iray manana tantara eo amin’ny fiainan’i Madagasikara ity vanim-potoana ity. Araka ny efa voalaza dia teto no niverina ny fahaleovantenan’ i Madagasikara.

Na izany aza anefa dia toa fahaleovantena sadasada ihany izany satria mbola niankina betsaka tamin’ireo mpanjanaka ny firenena vaoazanaka anisan’ireny i Madagasikara. Tsy nahagaga anefa izany satria nahery vaika ny famolavolana nataon’ny mpanjanaka ka sarotra nokosehina. Ny hany azo ambara dia niala ny mamba dia nisosoka ny voay. Sarintsarim-pahaleovantena ihany no nisy teto. Ny anton’izany saritsarim-pahaleovantena izany no asongadina manaraka eto ambany.

2.2.1-Tany ivelany Tsy i Madagasikara ihany akory no nahazo fahaleovantena tamin’ity vanim- potoana ity fa maro ireo firenena efa nahazo izany talohan’i Madagasikara. Araka izany, nanakoako naneran-tany ny fialana tamin’ny fanjanahantany. Ohatra Algerie 1962, Inde tamin’ny 1947 , Indonesia 1947, Malasie tamin’ ny 1957, Senegal 1960. Araka izany dia namaha ny fatorany ireo mpanjanantany noho ny faneren’ny firenena mikambana sy ireo fifanarahana maro isan-karazany. Etsy andanin’izany, nanararaotra izao fahalalahana izao ireo firenena matanjaka toy ny Amerikana izay manana firehana kapitalista ary ny Rosiana izay mirona kokoa amin’ny sosialista; mba hitsofoka amin’ireny firenena vao nahazo fahaleovantena ireo mba hitadiavana tombontsoa. Ireny firenena matanjaka ireny dia samy niezaka hampanjaka ny firehany. Manoloana izany dia nanana ny tanjony koa ireo firenena vao nahazo ny fahaleovantena dia ny filofosana amin’ny fiarovana ny fahaleovantena izay vao azo. Azo ambara fa fotoam-pifohazan’i Afrika tokoa ity vanim-potoana ity:

“ Androm-pifohazan’ i Afrika marina ny taona 1960 ka dia nihetsika koa ankehitriny ireo izay noheverina ho bonaika” 74

74 Imongo vaovao, 27 janoary 1962 33

Ny hany nisongadina teo amin’ny lafiny toe-karena dia ny fizaran’ izao tontolo izao ho roa: dia ny tontolon’ny mpanan-karena sy ny tontolon’ny mahantra. Ireo firenena manan-karena dia nanao fampandriana adrisa tamin’ny alalan’ireo fanampiana toy ny fampisamboram-bola tany amin’ny firenena sahirana. Na dia nisy aza ny fanampiana maro azo tamin’ireo firenena manan-karena dia tsy foana ny fanjahantany fa niova endrika satria ireny fanampiana ireny dia nilana tambiny avokoa

2.2.2- Teto Madagasikara 2.2.2.1-Zava-nisy ara-politika Hafaliana tsy homby tratra ny an’ny vahoaka malagasy noho ny fanambarana ampahibemaso fa firenena mahaleo tena i Madagasikara na dia mbola mijanona ao anaty firaisam-be frantsay aza. Lany ho mpitondra ny vahoaka Malagasy i Philbert Tsiranana izay filohan’ny antoko PSD. Ny politikany dia ny “ politikan’ny kibo” izany hoe, rehefa voky ny vahoaka dia milamina ny tany ka dia nezahiny fatratra ny hahatomombana izany. Anisan’ny nimasoany ihany koa ny fampanjakana ny sosialisma tena malagasy, izany hoe, miezaka hampirindra ny politika anatiny amin’ny zava- misy eto an-toerana. Niaraka nahazo vahana tamin’ny mpitondra ny antoko nentiny dia ny PSD hany ka izy no antoko natanjaka tamin’izany. Nanomboka nipoitra tsikelikely anefa ny toetra ratsin’ny mpitondra, satria noho ny tanjaka nananany dia lasa nanjakazaka izy, nitono-tena fa raha tsy izy dia tsy nisy ny fahaleovantena. Nanaporofo izany ny fahitana ireo olona maro mpitantana avy amin’ny antoko PSD:

“Maro dia maro ny PSD, porofon’izany ivelan’Antananarivo tampon-tanana dia tsy misy depiote tsy PSD, tsy misy senatera tsy PSD, tsy misy conseillés généraux tsy PSD” . Tsy nahagaga izany fihetsiky ny mpitondra izany satria izy dia tanana havanan’ny frantsay ka ny rafitra napetraka teto dia saika nalaina tahaka tamin’ny frantsay 75 . Manoloana izany raharaha maro izany dia nifanosona tao ny raharaham-panjakana sy ny raharahan’antoko ka amin’ny vahoaka ny PSD dia mira fanjakana. Vokatr’izany dia nataon’ny olona fitadiavana tombontsoa tao.

75 PASCAL (R) Op cit : « la fonction publique est aussi un héritage francais » p 78 34

Rehefa tena natanja ka ny PSD dia nizara 2 : ny PSD tavaratra izay notarinin’i Philbert Triranana, nirona kokoa tamin’ny fakan-tahaka ny Alzerianina; ny PSD tatsimo izay teo ambany fiadidian- DRESAMPA dia nirona tamin’ny firenena Israely. Ny anton’izany dia noho ny tsy fitovian-kevitra tao amin’ireo mpikambana maro be. Izany fivakisan’ny PSD izany dia nampihena ny tanjany teo amin’ny firenena. Nihanarefo ny PSD nanampy izany ny tsy fahasalaman’Ingahy Philbert Tsiranana ka voatery nitady lalan-kafa izy. Hany heriny dia nitodika tamin’ ireo vazaha izay niara-dalana taminy. Niantso vazaha maro izy hanampy azy tamin’ny fampandehanana ny raharaham- pirenena. Hoy i Rémi milazalaza ny momba izany

“Feno vazaha frantsay hatrany amin’ny Presidensan’ny “Republique” rehetra any, tsy tenenina intsony ireo vazaha any amin’ny sampan-draharaham- panjakana , hatrany amin’ny fampianarana ka hatrany amin’ny fampihet siketsehana ny tantsaha .”

Araka ireo dia hita fa sarintsarim-pahaleovantena ihany no nisy teto satria ny mpitondra no Malagasy fa ny andraikitra fototra dia mbola ahitana frantsay avokoa.Toa mpitari-bato vilam-bava no hita teo amin’ny mpitondra. Araka izany, raha teo amin’ny politika no resahina dia hita rafi-pitantanana nolovana tamin’ny mpanjanaka 76 Izany tsy fahombiazan’ny fitondrana izany no nitarika ny fijoroan’ny AKFM (Antoko Kongresy ny Fahaleovantenan’i Mdagasikara) izay nanohitra ny PSD. Ny mpitandrina ANDRIAMANJATO Richard no nitarika ity antoko ity ka ny tanjony dia ny fahaleovantena madio mangarangarana 77 . Ny AKFM dia nirona ihany koa tamin’ny sosialisma izay mikendry ny fahafaham-bahoaka sy ny fahefam-bahoaka; ny handraisan’ny fanjakana an-tanana ny fitaovam-pamokarana ary farany dia ny hahalaika ny fampianarana. Fa tsy ny antoko AKFM ihany no nitsangana hanohitra ny zava- nisy fa anisan’ ireny koa ny mpitondra fivavahana ka nampitandrina ny Fanjakana. Toy izany raha fintinina ny endri-pitondrana tamin’ny repoblika voalohany, izay azo adika hoe fanjanahan-tany amin’ny endriny vaovao.

76 PASCAL (R), Op cit : « l’indépendance (…) a hérité de toute l’Administration coloniale avec ses cadres, ses moyens » p80 77 PASCAL (R), Op cit : « L’ AKFM (…) est le parti du congrès de l’indépendance de Madagascar (…) il avait d’ abord les partisans de l’Indépendance pure et limpide » p 73 35

Toy izao no namintinan’ i Rija azy ao amin’ny Ilay vohitry ny nofy : “Mody nofoanana ny fanadevozana saingy tsy levona izany fa niova endrika ho fanjanahantany. Mody norarana ny fanjanahantany, saingy tsy maty izany fa miafina ao ambadiky ny saron- tava vaovao” 78

Toy izany no zava-nisy teo amin’ny sehatry ny fitondrana fa nanao ahoana kosa ny fiainana ara- toe- karena.

2.2.2.2- Teo amin’ny lafiny toe- karena Tsy teo amin’ny lafiny fitondrana ihany no nahitana ny sarintsarim- pahaleovantena fa teo amin’ny sehatry ny toe-karena ihany koa dia mbola nanjaka ny tsy fahombiazana. Azo ambara fa mbola voagejan’ny renivola frantsay sy ny fikambanam-barotry ny mpanjana-tany ny toe-karen’ny Malagasy tamin’ ity vanim-potoana ity . 79 Ny anton’izany dia ny fifanekem-piaraha-miasa tamin’ny fanjakana malagasy sy ny firenena frantsay. Nanaiky ny fanjakana malagasy fa hiaraka amin’i frantsa ihany ka rehefa manondrana na manafatra entana dia tsy maintsy i Frantsa no lohalaharana.Vokatr’ izany, lasa toerana fakana akora sy toeram-panondranana ireo rendrarendra tany ivelany tany i Madagasikara. Fa ankoatra izany, niova endrika ny fitantanana ny toe- karen’ny Malagasy, raha fanerena ny olona hiasa no nisy teo aloha dia toa endrika fanampiana amin’ny fomba maro samihafa izany teto. Ireny fanampiana ireny anefa dia tsy tongatonga ho azy fa tsy maintsy nisy takalony avokoa satria i Madagasikara dia niditra tao amin’ny varotra iombonana izay ambony be ny latsakemboka ao. Tsy nahaloa izany i Madagasikara nefa nekena ihany, fa ho setrin’izany kosa dia tsy maintsy avela hampiasa vola sy hitrandraka eto ireo mpanam-bola ireo.

“Mahaleo tena i Madagasikara nefa tonga isan-taona ny manam-pahaizana vazaha frantsay(…) hisafo sy hijery ny nampiasana ny vola nampisamboriny” 80

78 ANRIAMALALA (E D), Ilay vohitry ny nofy , Imprimerie Nationale, Antanananarivo, 1972, p52 79 BOITEAU ( P ), L’ histoire du peuple Malgache in Madagascar .Document 1er fascicule n°2 ,1965- 1966. « … L’économie malgache reste dominé par le capital et les sociétés coloniale » p17 80 Gazety “Maresaka” 06 Aprily 1971,lah 5033 36

Izany rehetra izany dia niteraka ny fahantran’ny vahoaka malagasy sy ny fahatezerany ka nahatonga ilay trakta niely teto Antananarivo tamin’ny 1969 mba hanafoanana ny fifanekem-piaraha-miasa izay nosoniavin’ny komite revolitionera . 2.2.2.3-Ny zava-nisy teo amin’ny sehatry ny fiaraha-monina sy ny kolontsaina Raha vao azo ny fahaleovantena tamin’ny 1960 dia nanantena fiainam-baovao ny vahoaka malagasy ary dia naneho ny fitiavan-tanindrazana ny olona tamin’ny fihetsika ivelany samihafa. Ny mpianatra tamin’ ny sekoly vazaha dia mba niezaka hiteny gasy; ….Izany dia vokatry ny ezaka nataon’ny tanora hiteny gasy. Diso fanantenana anefa izy satria toa ilay tontolo tamin’ ny fanjanahan-tany ihany no nitohy, nidangana mantsy ny hetra nalain’ny fanjakana ary namoronana hetra avokoa ny fananam-bahoaka. Misondrotra tsikelikely ny vidim-piainana ary vao mainka natobaka teto ireo vokatry ny indostria frantsay izay nitombo vidy ihany koa fa tsy toy ny teo aloha. Vokatr’izany dia nihanitombo ny elanelana teo amin’ny tandrenivohitra sy ny tambanivohitra. Tsy nisy anefa nahatratra ireny afa-tsy ny olona teo amin’ ny fitondrana sy ny mpiasam-panjakana. Anisan’ny nisongadina izany elanelana izany indrindra teo amin’ny lafiny fampianarana, satria ny sekolim-panjakana dia ireo sokajin’ olom-bitsy no afaka nianatra tany fa ny an’ny maro an’isa dia tsy maintsy nandoavana sarany tany amin’ny sekoly tsy miankina. Toy izao no nanehoan’Imongo vaovao izany : “ Mimenomenona ny ray aman-dreny fa tsy araka intsony ny saram- pianaran’ny ankizy. Fahoriana ao an-tokantrano noho ny fihafiana mba hahato ny faniriana hanome fahalalana mendrika ny andro ankehitriny ” 81

Nanampy trotraka izany ny mbola fijanonana sy fanavaozana ny fampianarana amin’ny teny frantsay. Izany hoe, tsy nisy fiovana fa fakana tahaka tamin’ny rafi-pampianarana frantsay ka na ny diplaoma aza dia nampitoviana tamin’izany.

81 Imongo vaovao, lah 8 p 7 37

Hoy ny filoha tamin’ny 2 Mars 1968:

“ tokony ho foanana vonjimaika aloha ny fampiasana ny teny malagasy any amin’ny fanadinana sy ny concours sasany satria mbola tsy tena voafaritra mazava tsara sady tsy mbola voalahatra amin’ izay tokony harahina ny fomba fanoratra ny teny malagasy (…)”

Nanoloana ireny olana maro ireny dia tsy nijery afa-tsy ny akaiky azy ny mpitondra, hany ka rehefa misy ny fanomezana asa dia saiky ireo olona akaikin’ny fanjakana sy ny frantsay no nahazo izany . Noho izany dia nitombo izay tsy izy ireo tanora manam-pahaizana tsy an’asa na mahita asa fa tsy mifanaraka amin’ny fiofanana natao. Toy izany no endriky ny tsy fahombiazana teo amin’ny sehatry ny fiaraha- monina sy ny kolontsaina nandritra ity vanim-potoana faharoa ity; tsapa mantsy fa nampizarazara ny malagasy ny endri-pampianarana natao izay tokony ho fitaovana fototra hanarenana ny firenena.

38

Famintinana ny fizarana voalohany:

Ny famahavahana ny antom-pisian’ny gazety «Imongo Vaovao» sy ny momba azy ary ny tontolo iainana manodidina ny vanim-potoana 1945-1972 no naseho tato amin’ ity fizarana voalohany ity.

Nasongadina tamin’izany fa ny gazety Imongo Vaovao dia fitaovam- pifandraisana iray nanehoana ny zava-misy teo anivon’ny fiarahamonina izay nanovozana ny asasoratra. Natao indrindra mba hanoherana ny rafi-piarahamonina tamin’ny fanjanahantany sy ny repoblika voalohany. Nasehony tamin’ny asa soratra maro isankarazany izany foto-keviny izany ary tsy latsa-danja tamin’ ireny ny tantara foronina malagasy. Nampahatsiahivina tato ihany koa ireo toe- javatra nentina nandrodanana ny fanjanahantany anisan’ ireny ny fihaonam-be maro tany ivelany sy ny fitsanganan’ny firenena mikambana izay nitarika ny fahaleovantenan’i Madagasikara. Ny momba ny endriky ny fahaleovantenan’i tao amin’ny repoblika voalohany no namaranana izany. Noho izany, tsara raha fantatra mialoha ny zava- nisy sy ny momba ny gazety alohan’ny hamakafakana ireo tantara ireo.

39

40

Singa roa lehibe samy manana ny maha izy azy eo amin’ny asa soratra ny endrika ivelany sy ny vontoatiny. Mifampiankina sady mifameno koa anefa izy ireo. Miankina betsaka amin’ny lohahevitra hovahavahana mantsy ny fandrindrana ny fomba fanoratra hifanaraka amin’izany. Koa alohan’ny hirosoana amin’ny famahavahana ny vontoatiny dia andeha hojerena aloha ny endrika ivelan’ny tantara. Hozaraina roa miavaka tsara ny asa, ao amin’ny tapany voalohany dia hovahavahana ireo singa mamelona ny tantara ka ireto avy izany: ny toerana, ny habaka ary ny mpandray anjara. sy ny fomba fanehoan-kevitra. Ny hevitra raketin’ny tantara kosa no hojerena ao amin’ny tapany faharoa. Tsara ny manao fanamarihana etoana fa ny endrika isehoany ihany no aseho ato amin’ity fizarana ity fa ny hevitra ilafihany kosa dia ho hitantsika ao amin’ny fizarana fahatelo farany.

I- NY ENDRIKA IVELANY Maro ny zavatra azo dinihina raha miresaka endrika ivelany isika saingy ndeha ireo andry lehibe mamelona ny tantara no jerena. Azo fintinina ho toy izao izany: ny toerana ivelaran’ny tantara, ny fotoana nizoran’ny tantara ,farany ireo mpandray anjara mamelona ny tantara ary farany ireo fomba fanehoan_ kevitra misongadina amin’ ny tantara foronina nohadihadiana 1.1- Ny toerana Andry iray lehibe mampijoro ny tantara foronina ny toerana satria izy no manome aina ny tantara, izany hoe, mametraka ny tantara iray ho azo inoana noho ny toerana voafaritra mazava. Noho izany, nosafidina manokana ireny toerana ireny ary toerana efa fantatry ny mpanoratra satria toa tsy misy hetsika azo atao raha tsy amin’ny toerana efa fantatra 82 . Heverina fa ilaina araka izany ny manadihady ny toerana nivelaran’ny tantara. Zavatra roa lehibe no hodinihina ato amin’ity zana-pizarana ity: ny fomba fanehoan’ny mpanoratra ny toerana ary faharoa dia ny toerana voafaritra ara-jeografia.

82 MAURIAC (F), Le romancier et ses personnages , Coll. Livre de poche, Paris, 1972, « Aucun drame ne peut commencer de vivre dans mon esprit si je le situe dans les lieux où j’ai toujours vécu » p 101 41

1.1.1- Ny fomba fanehoana ny toerana: Samy manana ny fomba nenti-nandoko ny tantara ny mpanoratra tsirairay avy; na izany aza dia misy ihany ny marimaritra iraisana azo tsoahina avy amin’izany. Amin’ny ankapobeny dia lahatsoratra mitantara avokoa no nandrafetana ny tantara, tsy mahagaga izany satria zavatra efa lasa no asehon’ny mpanoratra tantara. Na izany aza dia misy teboka roa lehibe azo hamintinana ny fomba nentin’ny mpanoratra naneho ny toerana: Andaniny, tsikaritra fa saika fanolorana amin’ny ankapobeny fotsiny no entin’ny mpanoratra manolotra ny toerana nitrangan’ ny tantaraEtsy ankilan’izay dia misy kosa ireo toerana narahina fanoritsoritana mazava.

1.1.1.1- Ny toerana tsy nasiana fanoritsoritana Maro ireo toerana tsy nasian’ny mpanoratra fanoritsoritana firy ohatra amin’izany ireto manaraka ireto. Toy izao ohatra no voalaza ao amin’ny “ Sangisangy ” “ Ny andro vao amin’ny fito ora mahery kely , ny fivarotany tsy aiza fa eo Analakely ka na tongotra aza handehanany, fahefatr’adiny dia tonga eny izy” Tahaka izany koa ny hita ao amin’ny “ Izaho ve no diso” “Teny an- tsenan’ Analakely no nalehako voalohany ” Lah 1

Toy izao no fanehoan’ny “Tamberintany ” azy: “Tonga indray ny foaran’Alakamisin’ny Fenoarivo etsy andrefan’Antananarivo .”

Maro ao amin’ny tantara no ahitana izao fanolorana ankapobeny ny toerana izao fotsiny. Tsy nataotao foana anefa izy ireny fa anisan’ny mametraka ny mpamaky amin’ny toerany. Izany hoe: heverin’ny mpanoratra fa toerana efa fantatry ny mpamaky ireny, efa ananany angom-pahalalana satria io no renivohitr’i Madagasikara ka tsy nasiana fanoritsoritana firy intsony. Izany hoe, saika mahafantatra io toerana tantaraina io avokoa ny mpamaky. Tsy nomena lanja araka izany ny fanoritsoritana ny toerana fa ny fitantarana ny fivoaran’ny tantara no zava-dehibe.

42

Noho izany, heverin’ny mpanoratra fa tsy voalohan-daharana ny manome fampahalalana ny toerana anorenana ny tantara.

1.1.1.2- Ny toerana narahina fanoritsoritana Misy ihany koa ireo toerana nasian’ny mpanoratra fanoritsoritana mazava, mety ho fohy mety ho lava. Ireny fanoritsoritana ireny dia niditra tao anatin’ny lahatsoratra mitantara ka mampiato ny fizotran’ny tantara . Ohatra amin’izany ny hita ao amin’ny “ Ny fahatezerany ”:

“ Ambohitraivo no anarany, ary vohitra mitokatokana ihany no lavitra akaiky ny tanàn-dehibe, tokony ho zato kilaometatra raha atao tora-tady, nefa roanjato kilaometatra latsaka kely foana raha manaraka ny arabe izay sady ratsy no mihodinkodina” Tahaka izany koa ny hita ao amin’ny “ Tadio avy any am- pasana ”

“Ery avaratra andrefan’Antananarivo, lalana tapak’andro no misy ny toerana nipoiran’ny tantara. Tanànan’ny Ambanivohitra, misy trano mieliely; tsy milahatra, ny trano dia mielanelana tany voavoly amin’ny anankiray na miefitra tamboho amin’ny hafa. Raha mba misy trano mifanakaiky dia tsy mihoatra telo aman’efatra, eny akaiky trano eny dia misy fasana mahalankalana, akaikin’ ireny dia misy alan-kininina kely na saham-boangazo midadasika Renirano kely no mikoriana ery avaratry ny tanàna” Lah 8

Eto kosa araka izany, dia nasian’ny mpanoratra fanoritsoritana tsotsotra ireo toerana izay heverina fa tsy fantatry ny mpamaky loatra. Izany no natao dia mba hanomezana fampahalalana ny mpamaky araka ny voalazan’ny mpandinika manao hoe: “Ny fanoritsoritana dia seraseran’ny mpanoratra sy ny mpamaky”83 . Ka ny fampahalalana eto dia mifototra amin’ny tanàna eny ambanivohitra sy ny zava-misy ao aminy: toy ny trano fonenana, ny fasana ary ny tanimboly isan-karazany. Raha atao indray miteny dia ny atao hoe “Tanindrazana” no soritsoritan’ny mpanoratra eto.

83 BOURNEUF et OUELLET (R), L’univers du roman , Collection Sup, Editions PUF, Paris, 1975 : «La description sert à communiquer de l’information de l’auteur au lecteur» p 113 43

Azo ambara ho mitana anjara toerana lehibe eo amin’ny fizotry ny tantara ny fanoritsoritana satria mitondra ny mpamaky an’eritreritra any amin’ny toerana tantaraina ka manjary manana fahalalana hafa izy. Fa ankoatra izany, na dia miseho amin’ny toerana tsy mbola fantatry ny mpamaky aza ny tantara dia soritsoritan’ny mpanoratra ilay toerana mba ho vita sary ao an-tsain’ny mpamaky ny toerana tantaraina, izany hoe, entin’ny mpanoratra an’eritreritra any amin’ny toerana tsy mbola fantany ny mpamaky; sarihin’ny mpanoratra ny mpamaky mba hiombona habaka aminy amin’ny fizotry ny tantara ho toy ny vavolombelona nanatri-maso ny zavatra tantaraina. Tsapa araka izany, fa nisy ezaka lehibe nataon’ny mpanoratra mba hitondra fampahalalana ho an’ny mpamaky. Farany, tsikaritra teto fa tamin’ ny fomba fanehoan’ny mpanoratra ny toerana dia nisy fitoviam-pijery nisongadina tao amin’ireo mpanoratra malagasy izay nanaovana fanadihadiana ireo dia ny : fialana amin’ny toerana andrenivohitra mankany amin’ny toerana ambanivohitra. Raha atao bango tokana dia hita fa nisy fankafizana ny tanàna ambanivohitra tamin’ireto mpanoratra ireto.

1.1.1.3- Ny toerana voafaritra ara- jeografia Ny tiana ambara amin’ity zana-pizarana ity dia ny momba ireo toerana voaporofo mazava ao amin’ny sarin-tany ny fisiany. Mitana anjara toerana lehibe eo amin’ny tantara foronina ny fahitana ireo toerana voafaritra ara-geografia. Ireny mantsy no teboka iray mampana-kery azy ka mahatonga azy ho azo inoana. Nomena lanja ireny toerana ireny mba hahatonga ny tantara iray hiorina amin’ny zava-misy marina fa tsy hianona ranofotsiny amin’ny famoronan’ny saina. Koa ny tantara foronina araka izany dia fitsangantsanganana an’eritreritra mba hahalalana ny zava-misy amin’ izao tontolo izao 84 . Araka izany dia hita fa niezaka ihany koa ny mpanoratra mba hanome tondrozotra ny mpamaky amin’ny alalan’ny filazana tsotsotra ireo toerana 85 .

84 GEORGES (J), Le roman , Editions du Seuil, Collection Peuple et Culture, Paris, 1960: «Lire un roman, c’est toujours aller ailleurs voyager. Voyage qui est exploration et conquête du monde des paysages, des villes, des choses » p 51

85 BOURNEUF et OUELLET ( R ) op cit: «Le romancier fournit toujours un minimum d’indications « géographiques » qu’elles soient de simples points de répère pour lancer l’imagination du lecteur» p.99 44

Ny toerana ara- jeografia niraisan’ny tantara rehetra dia teto Madagasikara . Tsy mahagaga izany satria ny mpanoratra ny tantara dia teratany malagasy ary ny olona handefasana ny hafatra amin’ny ankapobeny dia Malagasy avokoa. Manamarina izany ny tsy fisian’ny fanoritsoritana lava ao amin’ny tantara satria heverin’ny mpanoratra fa toerana ananan’ny mpamaky fahalalana ny toerana tondroina ao amin’ny tantara. Mazava araka izany fa ny mombamomba ny fiaraha-monina malagasy no avoitran’ny tantara ao. Araka ny nambaran’i Francois MAURIAC manao hoe: Tsy afaka hanoritsoritra momba ny zavatra iray isika raha tsy efa nahita ny tao anatiny tao. 86 . Toy izao no hita ao amin’ny “ Sangisangy ” “Ny andro vao amin’ny fito ora mahery kely , ny fivarotany tsy aiza fa etsy Analakely(…) ny mpividy antsinjarany tsy dia mahataitra azy. Mpivarotra kely telo lahy avy any ambanivohitra no hany nifanaovany fotoana amin’ny valo. Mainka nitsiky i Mily nieritreritra ireo baloana roa sasany no indray ho vidian- dry zareo tolo-botsotra ” Toy izao no hita ao amin’ny “ Tadio avy any am- pasana” “ Tsy navelan’ny dokotera tao ankazobe handeha izy fa nalefany taty Antananarivo hotsaboina ety Befelatanana ” Fa ankoatra ny teto Antananarivo izay renivohitry Madagasikara dia nisy fironan’ny mpandray anjara ka hitodi-doha ho any ambanivohitra toy ny Ambatomanga, Anjozorobe; Moramanga ..; Ohatra ny ao amin’ny “ Izaho ve no diso ” “Herinandro izay no nahatongavanay teto Ambatomanga(…) tsy ny haka rivotra no foto-dia fa ny handamina ny tany novolen’ny olona” lah 8

Toy izany koa no hita ao amin’ny “ tamberintany ” “Nony tonga teto Antananarivo dia nilaza Ingahy Rabeharana fa hanararaotra hivily etsy Antanimena fa (...) te haka hofan- trano”

.Toy izao kosa no hita ao amin’ny “ Avotry ny rafy” “Nikotaba teo ankalamanjana talaky maso ny haren’i Vonizongo

86 MAURIAC (F) op cit « Il ne peut que décrire l’œuf dont il vit comme peine de briser la coquille » p 97 45

Izao no voalaza ao amin’ny “ Ny fahatezerany ” “ Marina tokoa fa sady tsara tarehy no bikana ilay Bako ary zanak’ olona nahazo harena tamin’ny varotr’omby ka nivelona fotsiny tamin’ny hofan’ny tranony hatreto Antananarivo ka hatrany Tsiroanomandidy. Tsapa tokoa fa naneho ny zava-nisy hitany ny mpanoratra fa tsy nionona amin’ny famoronana. Hamintinana izany dia indro atolotray eto ireo toerana voafaritra ara- jeografia hita ao amin’ny tantara

46

Fafana 1: Famintinana ireo toerana voafaritra ara-joegrafia (tena misy fa tsy foronina)

Madagasikara Mahajanga Antananarivo Fianarantsoa Toamasina Maevatanana - Analakely, Andohalo - Antarandolo - Moramanga Mahatsinjo Faravohitra ,Antaninarenina - Ambohimaha Antanimora ,Anjozorobe -Ampasambazaha Ankazobe -Ambatomena Ambohidratrimo, Fenoarivo -Tsaramandroso Tsaralalana, Ambohijatovo _Ambalapaiso Antanimena, Ambatoloana -Antabohobe Ambatovinaky, Ambatomanga, Angavo, Mahisy

Fanazavana ny fafana

Hita amin’izao famintinana izao fa mibahan-toerana ao amin’ny tantara foronina ny fanehoana toerana voafaritra ara-jeografia. Izany no nataon’ny mpanoratra araka ny fiheveranay dia mba hanehoana fa notovozina tamin’ ny loharano mazava io tantara io. Izany hoe: manana ny loharano nanovozana azy ny tantara foronina dia ny fiarahamonina izay namolavola ny mpanoratra. Tsikaritra ihany koa fa Antananarivo no toerana tena nivalaparan’ny tantara. Tsy mahagaga izany satria ireo mpanoratra dia saika nonina teto Antananarivo avokoa. Mazava ho azy araka izany fa io no fiarahamonina fantany indrindra Farany, misy ihany ireo toerana ivelan’Antananarivo izay natao mba hanehoana toe-javatra fotsiny na ivezivezena.

47

1.2- Ny fotoana

Ny fotoana no anisan’ny toko iray faharoa manome aina ny tantara .Toa azo inoana fa nofinofy ranofotsiny ny ambaran’ny mpanoratra ao amin’ny asa soratra raha toa ka tsy misy filazana na marika ahazoana mamantatra ny fotoana resahin’ny tantara. Hoy ny voalazan’ny mpikaroka iray: ny fotoana dia seha-pikarohana iray lehibe eo amin’ny tantara foronina. 87 Izy mantsy no toy ny fitaovam-piasana iray ahafahana manadihady vanim-potoana iray 88 . Noho izany, tsy azo atao tsinontsinona ny fotoana ary mifameno amin’ny toerana ihany koa izy. Tsy mihataka amin’ny voalaza tetsy aloha izany araka ny ambaran’ny mpikaroka iray hoe: ny tantara foronina dia mifandray amin’ny vanim-potoana tantaraina ka izany no antony hadinihana manokana ny fotoana.

1.2.1- Ny fotoana isehoan’ny tantara Samy manana ny paikady hanehoana ny tantara ny mpanoratra tsirairay avy saingy na izany aza dia tsikaritra ihany ny fisian’ny fitoviam-pijery eo amin’ny mpanoratra izay ahafahana manatsoaka hevitra. Amin’ny ankapobeny dia lahatsoratra mitantara avokoa no nandrafetana ny tantara, izay dia ahafahana milaza avy hatrany fa ny toe-javatra efa lasa no tantaraina ao; zavatra efa niseho tany aloha fa mampitamberina izany amin’ny mpamaky fotsiny ny mpanoratra ankehitriny. Izany hoe, tamin’ ny vanim-potoana izay hitany na niainany no voaboasany ao amin’ny tantara. Tsy afaka hilazalaza ny toe-javatra amin’ny hoavy mihitsy ny mpanoratra noho ny tantara foronina izay maneho tantaram-pirenena, noho izany ny vanim-potoana efa lasa no tantaraina ao 89 Azo aravona ho roa lehibe ny fomba nentin’ny mpanoratra naneho ny fotoana isehoan’ny tantara: voalohany dia ny fotoana voafaritra mazava, izany hoe: ahitana daty sy ora ny toe-javatra ambara ao amin’ny tantara.

87 ENCYCLOPEDIE Encarta 2009 « siècles des lumières » : « Le temps est au centre de reflexion par le roman » 88 Georges (J), op cit : « les romans sont toujours des machines à explorer le temps » p 49 89 Georges (J) Op cit : « Dans la mesure où un roman raconte une histoire, il s’inscrit dans le temps. On peut donc banalement un roman comme une manière décrit qui relate le temps qui passe » p131-132 48

Faharoa dia ny fotoana tsy voafaritra mazava saingy ny toe-javatra ambara no entina mikaroka ny fotoana isehoan’ny tantara. Ndeha àry hovoaboasana tsirairay ireo araka ny laharam-pisehoany. 1.2.1.1-Ireo tantara nahitana vanim-potoana mazava: Andaniny, iray tamin’ ireo tantara nodinihana ihany no nahitana vanim-potoana mazava dia ny “Avotry ny rafy ”.Toy izao no voarakitra ao “Indro ny tantara. Taona 193 8 mpifaninana tany an- tsekoly izaho Rahaingo sy Ravalo” lah 1 Mbola hita ihany koa ny hoe: “ nandingana taona iray ny tantara dia ny taona 1947 ”

Eto araka izao hita izao dia naseho mazava ny fotoana izoran’ny tantara.Izany hoe ny taona 1938 no niatombohany ary ny taona 1947no niafarany.Tsy tongatonga ho azy ireny fa misy antony tokoa. Antony iray lehibe sady manan-danja no heverinay fa mahatonga izany dia ny: fanehoana sy fampahatsiahivana ireo zava-dehibe nisy teo amin’ny fiarahamonina malagasy tao anatin’io vanim- potoana io. Nisongadina tamin’ ireny ny fahasiahan’ ireo mpanjanatany. Manampy izany, ny fisian’ ireo daty ireo dia maneho fa taratry ny zava-misy ireny tantara ireny fa tsy nofinofy tao an-tsain’ny mpanoratra fotsiny.

1.2.1.2-Ny fotoana tarafina amin’ny toe-javatra ao amin’ny tantara Amin’ity fizarana faharoa ity indray dia hita fa nibahan-toerana ny tsy fampiharihariana mivantana ny fotoana isehoan’ny tantara; saingy na izany aza dia misy lafin-javatra maro azo itarafana izany. Eto dia ny votoatin’ny tantara sy ny teny no entina manatsoaka ny fotoana tantaraina; Toy izao ohatra no voalaza amin’ny “ Izaho ve no diso ”: “Tsy ny fampianarana no hafahafa, hoy aho, ...toa adinonao fa tany frantsay isika ka tsy maintsy amin’ny teny frantsay ny fampianarana( tamin’ny fanjanahantany ny tantara)” Mazava araka izany fa tamin’ny fanjanahantany no fotoana isehoan’ny tantara satria tamin’izany dia teo ambany ziogan’ny Frantsay i Madagasikara ka izany no ilazana fa tany frantsay isika.

49

Manampy izany koa no hita ao amin’ny “ Tamberintany ” “Ho tonga ao koa ny “Gouverneur Général ”, ka indreny ny mpianatra milahatra”

“Manatrika ny araben’ny fahaleovantena ny hotely,misomebiseby fatratra ny mpiasa hamonjy asa sy ny mpianatra” Eto kosa ny fahitana ny andianteny hoe “ gouverneur général” sy ny hoe “araben’ny fahaleovantena” dia maneho fa tamin’ny vanim- potoana fanjanahantany no tantaraina.Tamin’ izany mantsy no nisy governora teto Madagasikara. Fa tsy nijanona teo fa niitatra taty amin’ny vanim-potoana repoblika satria tao anatin’ny vanim- potoana nananan’i Madagasikara fahaleovantena no nanomezana anarana ny araben’ny fahaleovantena. Tahaka izany koa ny hita ao amin’ny “Ny fahatezerany ”: “Nahazo fiantsoana ho any amin’ny sefo kantao aho ka nofotorana momba izany” Ny fampiasana ny andianteny hoe “sefo kantao”dia mampiseho amintsika fa vanim- potoana fanjanahantany no aseho eto ka ny fiantsoana ireo mpitondra tamin’ izany vanim-potoana izany no asongadin’ny tantara eto. Toraka izany koa ny hita ao amin’ny “ tantaran- dRakoto” “ Fa ankehitriny afaka avy tany am-ponja izahay ary tonga ny fahaleovantena kanefa, inona no tsinjovina fa havoakan’ ny ampitso, tsy misy”.

Io fehezanteny io dia ahafahana milaza fa tamin’ny fotoana nahazoan’i Madagasikara fahaleovantena no tantaraina. Ny zava-nisy iainan’ny antokon’olona tamin’izany no asongadiny eto dia ny fahadisoam- panantenana nahazo ireo nitolona ho an’ny firenena Izao kosa no voalaza ao amin’ ny “ Tadio avy any am- pasana ” “Hoatry feno téléphone tsy misy tariby habakabaka” “ Dia feno billet vaventy ny poketra iray lehibe” “Tsy noheveriny izay FRAIS”

Na dia tsy voafaritra mazava ary eto ny fotoanan’ny tantara dia hita kosa fa taorian’ny fidiran’ny frantsay teto Madagasikara. Azo inoana fa tamin’ny andron’ny fanjahanatany.

50

Tamin’ izany fotoana izany mantsy no nipoiran’ny teny vary amin’ akotry tahaka izao. Izany hoe, niezaka namoaka ny teny frantsay izay hainy ny olona ka izany no asehon’ny mpanoratra eto. Izao fomba fanehoana ny fitenenana izao dia ahafahana manaporofo ny voalaza etsy ambony, izany hoe, niezaka ny mpitondra mba hanova ny toe-tsaina malagasy ka na dia teny malagasy aza dia nesorina tsikelikely tamin’ny Malagasy fa nosoloana ny teny frantsay. Niezaka ny olona mba hiteny frantsay izay hainy satria izany no ahazoana ny rariny eo amin’ny fiarahamonina. Izay nanaraka ny fombafomba vazaha dia tsy mahita olana firy eo amin’ny fiarahamonina fa izay miziriziry mijanona amin’ny maha malagasy azy dia iharan’ny tsindrihazolena Raha atao indray mijery dia tsapa fa tamin’ny andron’ny mpanjanaka no nisehoan’izany zavatra izany. Fa tsy io tantara io ihany akory no maneho izany fa ao koa ny “sangisangy”: “Siosion-dresaka fotsiny no henoko hoe nanodikondina volam- panjakana tamin’ izy nanao “ chef de canton”

Ireto fomba fiteny roa ireto: “ chef de canton” sy ny hoe “ragaova” dia maneho amintsika avy hatrany fa rafi-piarahamonina tamin’ny fitondran’ny Frantsay no tiana asongadina ka na tsy milaza mivantana aza izy dia hita avy hatrany amin’ny fampiasana voambolana manokana izany. Manampy izany ny vontoatin-kevitra tiana ambara izay maneho endri-piarahamonina tamin’izany fotoana izany.

Raha fehezina izay dia hita fa vanim-potoana roa lehibe no velabelarin’ny mpanoratra ao amin’ireo tantara ireo dia ny vanim-potoana fanjanahantany 1938-1960 ary ny vanim-potoana nahazoana ny fahaleovantena 1960-1972. Paika telo lehibe no nahafahana naneho izany dia ny famariparitan’ny mpanoratra ny fotoana resahina amin’ny alalan’ny daty mazava, ny toe-javatra tantaraina ary farany dia ny fitaovana nentin-nanangana ny tantara dia ny teny izany. Tsapa araka izany fa maro ny fomba enti-manadihady ny fotoana isehoan’ny tantara saingy na izany aza dia inoana fa taratry ny zava-nisy hitany sy niainan’ny mpanoratra ireny asongadiny ao amin’ny tantara ireny.

51

1.2.2- Ny faharetan’ny fotoana Anisan’ny fepetra iray maha tantara foronina ny tantara ny faharetan’ny fotoana tantaraina. Noho izy mirakitra tantara dia tsy voafehy ao anatina fotoana fohy fa maharitra. Na dia izany aza dia tsapa fa miankina amin’ny fivoaran’ny tantara tiana hasongadina ny faharetany. Amin’ny ankapobeny, ireto tantara ireto dia maneho izany avokoa ka arakaraka ny halavan’ny fotoana aseho no ahafahana maneho toe-javatra maro ary izany ihany koa dia manampy betsaka amin’ny fahazoana ny vontoatin’ny tantara. Araka izany dia saika miaina ao anatina taona maro avokoa ireto tantara ireto ka ny hanombohantsika azy dia ny “ avotry ny rafy ” izay naharitra 13 taona mahery. Ny asehon’ny mpanoratra amin’izany fiaimpiainan’ny olona iray tonga teo amin’ny fitondrana tamin’ny fanjanahantany. Tsy ny fiainany manontolo anefa no asehony ao fa ny ampaham-piainany tamin’ny fahatanorany ka misongadina amin’izany ny fivoaran’ny fiainany ary ny fitotonganany. Toe-javatra telo lehibe no azo hamintinana ny fiainan-dRahaingo izay vontoatin-dresaka eto dia fikatsahana harena; fahatongavana teo amin’ny fitondrana ary ny fitotonganan’ny fiainany. Toy izao izany: “Taona 1938 , mpifaninana tany an-tsekoly izaho Rahaingo sy Ravalo Rahaingo rehefa tsy nahomby tamin’ny fianarana dia nitady hevitra mba hahatsara ny fiainana ka ny fiombonan-kevitra tamin’ny mpanjanaka no vahaolana hitany ka toy izao no nataony tamin’izany: “Rehefa tsy ho dokotera ihany dia aleo manao ny asan’ny goverinera (…). Nanadrantena ho voromahery aho nony tonga goverinera madinika.” “Avotry ny rafy”

Nisy fetra ihany anefa ny fahefana nananan-dRahaingo ka nivadika ny tantara:

“ Fa handingana taona iray ny tantara. Nigadona n y taona 1947 , vanin’ andro tsy hay hadinoana amin’ny tantaran’i Madagasikara. “ Avotry ny rafy”

Ity taona ity no nampivadika ny tantara, samy nigadra izy roalahy (Rahaingo sy ravalo). Rahaingo nigadra noho ny ratsy nataony sy ny fianakaviany teo amin’ny fahefana nananany fa Ravalo kosa noho ny fitiavan-tanindrazana, tolona ho amin’ny fahaleovantenam-pirenena. 52

Toy izao no hita amin’ izany: “ taorian’ny fitsarana dia samy voasazy herintaona sy tapany an- tranomaizina izaho voatoroka ho mpangalatra na ry zareo H T” HT ( Hanainga ny Tantsaha) “Herintaona taorian’ izay dia nipoitra teo amin’ny lanitr’i Madagasikara ny kintan’ny fahaleovantena (Ravalo)tf6”

Tonga mpitondra ambony teo amin’ny fanjakana Ravalo ka Rahaingo no nataony ho mpanampy azy tamin’izany. Faharetany: 1938- 1947=11taona+1 sy tapany+ 1 taona = 13 taona sy tapany Fa toy izany koa no hita ao amin’ny “Izaho ve no diso ” izay naharitra 3 taona mahery, ka ny fiainan’ny ray aman-dreny miandry ny zanany manefa sazy no asehony amin’izany ka toy izao no hita ao: “Tapa- bolana izao no nahalasa ny taom- baovao ary dia izao vao manomboka ho tena tsaroako ny fiovan’ny fiainako”

“Herinandro izay no nahatongavanay teto Ambatomanga”

“3 taona an-tranomaizina no sazin’i Solo sy Daniela zanaky Razanadrasoa”

“Ho avy hono i Solo hoy ilay olona tonga teo”

Faharetany : Tapa-bolana + herinandro+ 3 taona = 3taona sy roatokom-bolana

Ny tantaran’i Dasy “Tadio avy any am-pasana” kosa indray dia naharitra tokoa satria nanomboka tamin’ny fahaterahany ka hatramin’ny fahalebiazany: “Efa lehibe Rabe sy Ramanana , efa nafoiny toy ny rano raraka ny fananan- janaka …Nefa …Niteraka an- dRadasinarivo izy” lah 10

“Naroroka Radasinarivo” lah 12

“ Zazalahy hananika ny 20 taonany Radasy ka tsy hahalala ny tsara sy ny ratsy ve izy”

“ efa lazon’ antitra Radasy amin ‘io nahitako azy io ”

53

Heverina araka izao fa ampolo taonany ny faharetan’ny tantaran’i Dasy eto. Saika hita eto avokoa mantsy ny fiainany manontolo dia - ny fahazazany - ny fahatanorany - ny fahalebiazany.

Azo heverina fa any amin’ny 30 taona mahery any ho any no naharetan’ity tantara ity. Na dia tsy ambara mivantana aza ny faharetan’ny fotoana dia hita fa nandany taona maro ny tantara. Ny elanelana eo amin’ny tanora 20 taona sy ny hoe “antitra” dia ampy hahalalana fa nandia taona maro ny mpandray anjara. Fa tahaka izany koa ny hita ao amin’ny “ny tantaran- dRakoto” : “nanakaiky ny trano hodiana Rakoto vao malaindaim-pamindra fa eo ny fieritreretana ny tokantrano tsizarizary hovantanina , ny taona maro nalana tany am- ponja”

“ efa-taona izao dokotera no nivoahako ny avy tany am-ponja ary nandritra izay dia niezaka tokoa nanao izay azoko atao kanefa tsy misy vokany”

Faharetany : 4 taona mahery

4 taona no laniny nitadiavana asa, nikarohana vahaolana amin’ny fiainana saingy tsy nisy vokany hita fa ny fahantrana no manempotra ka hany heriny dia namoy fo izy. Toy izao kosa no hita ao amin’ny tantara “ny fahatezerany”: “ -Asa na naharitra roa na telo volana no nanaovako toy izany. -herinandro aho izao no nolanahin’ny tazo -Fa ny nampalahelo ahy dia teo amin’ izany fotoana izany no(...) tsy maintsy nandeha aho nandao an’Ambohitraivo sy Rajaonary ary Pendo -Enin- taona mahery kely no nijanonako tany am- pitan’ny ranomasina vao niverina teto an- tanindrazana aho...” -” Faharetany = 6 taona mahery

Santionany ihany ireo entina maneho fa an-taona maro avokoa ny faharetan’ny tantara.

54

Tsy tongatonga ho azy izany fa tena ilaina tokoa, manampy betsaka ny mpamaky amin’ny fahazoana ny vontoatin’ny tantara mantsy ny fivalaparan’ny tantara amin’ny fotoana ary anisan’ny fepetra takiana amin’ny tantara foronina io. Maro ihany ireo lohahevitra voiziny ao amin’ny tantara foronina koa tsy mahagaga raha toa ka mandia taona maro avokoa ny tantara. Toy izay ny amin’ny faharetan’ny fotoana fa ndeha hiampita ao amin’ny filaharan’ny zavatra tantaraina kosa indray isika .

1.2.3- Ny filaharan’ny zavatra tantaraina: Anisan’ny lafin-javatra tsara dinihina ihany koa ny filaharan’ny zavatra tantaraina satria izany dia manampy betsaka amin’ny fahazoana ny votoatin’ny tantara, fa eo ihany koa ny fifehezana teknika maro samihafa ao amin’ny famoronana tantara foronina. Amin’ny ankapobeny dia azo sokajiana ho roa lehibe ny paikady nentin’ireo mpanoratra nandrafitra ny tantara. Voalohany, ny tantara mirazotra izany hoe, manaraka ny fizotran’ny fotoana fitantarana ny toe-javatra tantaraina. Faharoa, ny tantara tsy manaraka ny fizotran’ny fotoana fitantarana ny toe-javatra tantaraina fa ahitana teknika maro.Ndeha hodinihina tsirairay etsy ambany araka ny laharam- pisehoany ireo. 1.2.3.1-Ny tantara mirazotra Ity teknika ity no azo ambara fa mibahan-toerana amin’ny tantara izay nanaovana fanadihadiana . Ny dimy tamin’ ireo tantara 7 dia maneho izany avokoa Raha fintinina dia toy izao no nentina nitantara ny toe-javatra ao:ohatra ny hita ao amin’ ny “tamberintany” • fananganana an-dRafetrarivo • fampianarana azy • ny fidirana tamin’ny asa • fikorosoany fahana tamin’ny fiainana • fandovany irery • fiasana mafy • fialana sasatra • lasa adala 55

Toy izao amin’ny ankapobeny no ny tantaran-dRafetrarivo ao amin’ny Tamberintany. Raha atao indray mijery dia natomboka tamin’ny fahazazana; nitohy teo amin’ny fahatanorana ary niafara teo amin’ny fahanterana. Mazava ny fomba nentina nandrafitra ny tantara satria mirazotra ny fotoana tantaraina sy ny toe-javatra ambara. Izany hoe manaraka ny fizotran’ny toe-javatra mitranga ny fitantarana. Tahaka izany koa no voarakitra ao amin’ny “ Avotry ny rafy ”: • Fifaninanan-dRahaingo sy Ravalo tany an-tsekoly • fifandrafiany teo amin’ny asa: Rahaingo goverinera ary Ravalo kosa mpampianatra • fahavoazana nahazo azy roalahy- samy nigadra, ka Rahaingo nigadra vokatry ny fitantanana tsy nahomby nataony ary ity faharoa kosa dia nigadra vokatry ny fitadiavana fahaleovantena • faharesen-dRahaingo teo amin’ny fiainana ” Toy izao kosa ny fiainan-dRajaonary ao amin’ny “ ny fahatezerany” raha sokajiana araka ny fitantaran’ny mpitantara • Fialany teto Antananarivo nankany Ambohitraivo • Fandraisany an’i pendo hiaraka mipetraka aminy • Fifandonany tamin-dRainijery sy ny mpitondra fivavahana • Fivarinany lavo tamin’ny toaka • Ny fandreseny teo amin’ny fiainana Toy izao kosa ny hita fao amin’ny “ tantaran-dRakoto ” • fivoahany avy any am- ponja • Fitadiavana vahaolana amin’ny fiainana ( asa, vonjy, fanampiana) • Famoizam-po Toy izao kosa no nitantarana ny tantara “Izaho ve no diso ?” • Fahazoan-dRamanda fisotroan- dronono • Ny fianaran’i Solo • Fandehanana any ambanivohitra • Raharaha MDRM • Tsy fahitana an’i solo • Fitadivana azy ny ny nahitana azy • Fakana am- bavany azy teny Faravohitra 56

• Famangiana azy • Ny figadrany • Ny fiverenan- dRamanda sy Rabako tany ambanivohitra • Ny fahararian- dRabako • Ny fodian’ i Solo avy tany am- pigadrana • Ny tsy fifanarahan- tsaina nisy teo amin’ izy telo mianaka • Ny fahafatesan-dRabako • Ny fisarahana teo amin’i Solo sy Ramanda

Raha atao indray mijery dia ny fiainan’izy roalahy teo amin’ny fahatanorana no tantaraina eto, ka izany dia niatomboka teo amin’ny fahavitana fianarana, nitohy teo amin’ny asa ary nijanona teo amin’ny fahalebiazana. Manaraka izany toe-javatra izany ny fomba fitantarana, ka izany no ilazana fa mirazotra ny tantara iray. Azo ambara fa ity paika ity no tsotra indrindra eo amin’ny fomba fitantarana. Ilaina tokoa ity paika ity satria manampy betsaka amin’ny fahazoana ny vontoatin’ny tantara noho izy tsy nahitana fanovana na fandaminana firy ny zavatra tantaraina fa tonga dia manaraka ny fizotran’ny toe-javatra fotsiny. Fa ankoatra izany dia azo ambara ho maneho ny lalàna mifehy ny zava-boahary ity teknika ity dia ny hoe: “mivoatra” hatrany ny zava-boahary ka izany dia miatomboka amin’ny fahaterahana – fitomboana- fahatanorana - fahalebiazana – fahanterana – fahafatesana.

1.2.3.2-Ny tantara tsy manaraka ny toe- javatra tantaraina ny fomba fitantarana Samy manana ny safidiny ny mpanoratra amin’ny fanehoana ny filaharan’ny zavatra tantaraina ka eto dia paika roa lehibe no hita misongadina ato amin’ity zana- pizarana ity: voalohany dia ny fitantarana toe-javatra iray mbola hiseho any aoriana izay aseho eo am-piandohana.

57

Anisany maneho izany ny “Tadio avy any am-pasana ”: Toy izao raha fintinina tsotra ny tantara: 1- Ny fahafatesan-dRamatoa Ramanana 2- Ny niterahan-dRamanana an’i Dasy 3- ny nitomboan’ i Dasy 4- ny niteran-dRamanana ny zandrin’i Dasy 5- ny fahafatesan-Rabedasy( Rainy) 6- Ny fahafatesan-dRamanana 7- Ny teti- dratsin-dRadasy 8- ny fikorosoany (Dasy) fahana teo amin’ny fiainana Hita araka izao fa misy toe-javatra izay aroso eny am-piandohana mba hanairana ny mpamaky. Eto àry dia ny fahafatesan-dRamatoa Ramanana renin’i Dasy no atsidika eo am-piandohana; toe-javatra izay natao indrindra mba hanohina ny fon’ny mpamaky ka hisintona azy hanohy ny famakiana ny tantara. Io toe-javatra io no fototra mampivoatra ny tantara ka atsidika eny am-piandohana mba hanohina ny mpamaky, ka hiteraka fahalianana ho azy. Araka izany, ahitana fitaizana ny fihetseham-pon’ny mpamaky ao anatin’ny tantara foronina. Izany hoe, sarihina ny mpamaky mba hiray habaka amin’ny mpandray anjara ka rehefa faly izy dia faly manaraka izay ny mpamaky ary rehefa malahelo kosa izy dia ontsa tahaka izany koa ny mpamaky. Hita amin’izany fa mampianatra ny olona hitaiza ny “fitiavana” ny mpanoratra. Hita araka izao fa paika iray tena mahomby ity paika ity eo amin’ny famoronana tantara. Izany ihany koa dia ahatarafana fa ny mpanoratra ny tantara dia tsy olonolom- poana akory fa olona nandalina ka afaka maneho teknika mihataka amin’ny mahazatra. Faharoa, nahitana teknika hafa ihany koa teto dia ny fampiasana ny fomba fitantarana manaraka mpandray anjara maro. Anisan’ny ahitana izany ohatra ny ny tf6 “sangisangy ”. Ny mpitantara eto dia manaraka mpandray anjara maro ka ny fitantarana ny zava-nisy dia mifandimbidimby. Toy izao no santionany amin’izany 1- Fiainan’i Mily sy Nety “Antananarivo” 2- fiaianan’i Benja mivady “Antananarivo” 3- fianan’i Samy “Ihosy” sy Ramanana mivady Dia tahaka izay hatrany hatrany no fandehan’ny fitantarana ka amin’izay fotoana izay dia mifindrafindra toerana ny mpitantara..

58

Anisan’ny teknika tena mavesa-danja tokoa ity teknika ity satria miezaka ny mpitantara haneho ny hetsika ataon’ny mpandray anjara rehetra ka dia miampitampita ny fitantarana ny toe-javatra. Izany fomba fitantarana izany dia miteraka fitaintainana eo amin’ny mpamaky ka mahatonga fahalianana ho azy. Mazava ho azy araka izany fa tsy afaka miara-dalana ny toe-javatra tantaraina sy ny fotoan’ny fitantarana. Na izany aza anefa dia hita fa niezaka ny mpanoratra mba haneho teknika iray mazava amin’ny famoronana ny tantara. Ary mandamina izany araka izay azo atao mba hahamora ny fandraisan’ny mpamaky ny tantara. Ho fehin’izay voalaza izay dia hita fa na dia mpanoratra samihafa aza no nanoratra ny tantara dia nisy tokoa ny marimaritra iraisana eo amin’ny fanehoana ny filaharan’ny zavatra tantaraina. Nezahin’ny mpanoratra ny nifehy teknika tokana, mety ho tsotra ka manampy avy hatrany amin’ny fahazoana ny vontoatin’ny tantara na teknika mihataka amin’ny mahazatra mba hisarihana ny mpamaky. Izany rehetra izany dia inoana fa norantovin’ny mpanoratra tamin’ny fianarana izay nataony fa tsy tongatonga ho azy akory. Ny hany azo amehezana azy dia ny hoe “sakamalao sy havozo izy ireny ka samy manana ny hanitra ho azy” Toy izay amin’ny fotoanan’ny tantara fa mba manao ahoana kosa indray ireo mpandray anjara mamelona ny tantara?

1.3- Ny mpandray anjara

Anisan’ny lafin-javatra iray tsy azo adinoina amin’ny fandalinana ny tantara foronina ny mpandray anjara. Mialoha izany dia ndeha hofaritana ny atao hoe : mpandray anjara. Ny atao hoe mpandray anjara dia izay manatontosa ny tantara iray manontolo. Amin’ny ankapobeny dia azo sokajiana ho telo lehibe izy ireo dia ny mpandray anjara fototra, izay ifotoran’ny tantara iray manontolo.

59

Ny mpandray anjara mpanampy dia izay manampy ny mpandry anjara fototra amin’ny firosoan’ny tantara ary farany dia ny mpandray anjara ravaka, izany hoe natao ho haingon’ny tantara. Araka izany dia ilaina araka izany ny fandinihana azy ireo.

Maro ireo lafin-javatra azo dinihina amin’ny mpandray anjara saingy ireto lafin- javatra ireto no heverinay fa manan-danja sy mifanaraka amin’ny fanadihadihana: ny anarana sy ny sokajiny; ny toetra natafy azy ary farany dia ny fomba nenti-nandoko azy ireo. Ndeha àry hovahavahana mifanesy etsy ambany ireo. 1.3.1- Ny anarana sy ny sokajin’ny mpandray anjara Paika iray ahafahana mitaratra ny mahaizy azy ny mpandray anjara ny anarana entiny ka izany no handinihana azy. 1.3.1.1- Ny anarana Lafin-javatra iray mendrika hodinihina ny anaran’ny mpandray anjara satria avy amin’izany dia efa ahafahana manakatra hevitra sahady momba izay tian’ny mpanoratra ambara. Ny anarana mantsy dia mitahiry ny maha izy azy ny mpandray anjara sy ny kolontsaina ananany 90 . Koa eto dia ny anaran’ny mpandray anjara fototra no dinihina satria voarakitra ao anatin’ izany ny maha izy azy. 91 Manana ny iraisany ny mpanoratra raha momba ny anaran’ny mpandray anjara no resahina. Tsikaritra fa anarana malagasy avokoa no natafy ny mpandray anjara fototra eto ka toy izao izany raha fintinina

90 BARTHES ( R ) , Le dégré zero de l’ écriture , Collection Points, Editions du Seuil, 1953 et 1972 « Le nom (…) couvre (…) tout ce que le souvenir ; l’usage, la culture mettre en lui » 91 GENETTE ( G ) , Fig III , Editions du Seuil , Paris , 1972, 224p « L’essence des choses est bien dans le sens caché de leurs nom »

60

Fafana2: Fanehoana ny anaran’ ireo mpandray anjara fototra.

Tantara Anaran’ny mpandray anjara

1- Izaho ve no diso ? Ramanda 2- Ny fahatezerany Rajaonary(Jaonary/ Jaona boboka) 3- Tadio avy any am-pasana Radasinarivo( Dasy/ Radasy) 4- Ny tantaran-dRakoto Rakoto 5- Sangisangy Ramily/ Mily 6- Avotry ny rafy Rahaingo 7- Tamberin-tany Rafetrarivo

Fanazavana ny fafana Araka io fafana io ambony io dia hitantsika fa anarana malagasy avokoa ireo nandrafetan’ny mpanoratra ny tantara. Raha mbola idirana lalina dia tsapa fa anarana notovozina avy amin’ny toerana eto anivon-tany. Manaporofo izany ny fisian’ny mpanoritra RA- izay mampiavaka ny anarana malagasy. Izany dia midika fa - fiarahamonina malagasy no nanovozana ny tantara - fiarahamonina malagasy no asehon’ny mpanoratra amin’ny mpamaky Fa ankoatra izay maha malagasy ny anarana izay dia manavaka ny mpandray anjara ihany koa ny anarana entiny, maneho izay ohatra ny “ Avotry ny rafy”:

“ Mpifaninana tany an-tsekoly izaho Rahaingo sy Ravalo …. Sosotra aho no nihoarany (… )Rehefa tsy ho dokotera ihany dia aleo manao goverinera. Nanandran-tena ho voro-mahery aho nony lasa goverinera madinika…Izaho koa sady taviny no volony” lah 1

Hitantsika amin’izao fa manahaka ny anarana entiny tokoa ny maha izy azy ny mpandray anjara. Fa inona tokoa moa ny haingo? Moa tsy izay rehetra entina handravahana zavatra ary na dia ara-tsaina sy ara-panahy aza. 92

92 REGIS RAOLISON(R), Rakibolana malagasy , p 400 61

Eto ary dia ny voninahitra no entin’ny mpandray anjara misehoseho amin’ny olona ary heveriny ho haingo manaitra ny maro izany. Fa tahaka izany koa ny hita ao amin’ny Tamberintany dia ny hoe “Rafetrarivo” sy ny ao amin’ny “tadio avy any am- pasana ” dia “Radasinarivo” “Rehefa nifampidinika sy nifanapatapaka tamin’ny mpiray tampo Ratompo dia notoloran’ny anadahiny an-dRafetrarivo izay enina taona tamin’izay”

“Io tanàna io no nahateran- dRadasinarivo ” Ny hoe -arivo dia midika hoe: zato impolo (1000) be dia be tsy hita isa, izany hoe ny maha izy azy ireo mpandray anjara ireo efa tononin’ny anarany sahady dia ny vola izay ananany izany. Manaraka izany, misy ny iraisan’ireo anarana ireo dia ny fisian’ny mpanoritra Ra - izay midika hoe: “mpanoritra anarana zary tovona eo alohan’ny anaran- tsamirery milaza olona, indrindra amin’ny foko anivon- tany, ka atao ho mari- panajana mifanohitra amin’ny “I” 93 Izany dia maneho fa mpandray anjara notovozina avy tamin’ny zava-nisy hitan’ny mpanoratra ireo dia ny teto Antananarivo. Toy izao ohatra no voalaza ao amin’ny “Ny fahatezerany” “Izao fotsiny no ilazako azy : tsy Jaonary na Jaona na Jaona boboka intsony no fiantsoana ahy eto Ambohitraivo fa RA JAONARY”

“...nanao ny aiko tsy ho zavatra ho amin’ny fanompoam- pirenena aho ( Rakoto), ary na dia ny ainareo efa – mianaka aza dia nataoko tsy ho zavatra koa.” “Tantaran -dRakoto ” Ny mpanoritra Ra- dia midika hoe manana ny maha izy azy io olona io, saingy amin’ ireto mpandray anjara ireo dia miseho amin’ny endrika samihafa izany; ao ohatra ny vola aman-karena, ao ny asa, ary ny fahambonian-tsaina … ka eto dia ilay toetra tsara sy mendrika no isaloran’ny mpanoritra Ra- ao amin’ny tantara “ Ny fahatezerany” sy ny “Tantaran-dRakoto ”

93 Régis R RAOLISON, op cit p 805 62

Manaporofo izany ny voalaza ao amin’ny Mitairaina ny Tany manao hoe: “Ireo nanana trano zozoro lehibebe, dia notononina mivantana tamin’ny anarany, toy izany Rakotobe nipetraka teo atsimonay.Ireo nonina an- trano zozoro kely kosa dia noborina ny anarany. Randrasana sy Ratavy no anaran’ I Dada sy Neny .Indrasana sy Itavy no fiantson’ny olona azy ”94

Toy izany amin’ny ankapobeny no azo ambara eo momba ny anaran’ny mpandray anjara fa ndeha hiampita amin’ny sokajiny isika. 1.3.1.2- Ny sokajy nametrahana ny mpandray anjara.

Raha ny mpandray anjara fototra no ifotorana dia misongadina ny sokajin’ny lehilahy. Ireo mpandray anjara fototra ao amin’ireo tantara mantsy dia lehilahy avokoa. Ndeha àry hofintinina ao anaty fafana izany.

94 ANDRY ANDRAINA, Mitaraina ny tany , Librairie mixte; Antananarivo 2004, p 12 63

Fafana3: Fanehoana ny sokajin’ny mpandray anjara fototra

Tantara Mpandray Sokajy Taonany Fiankohonany anjara Izaho ve no Ramanda Lehilahy 60 taona Manambady diso? Tadio avy any Radasinarivo Lehilahy 20 taona Tsy am- pasana manambady Ny Rajaonary Lehilahy - ( efa lehibe) Tsy fahatezerany manambady Ny tantaran- Rakoto Lehilahy 62 taona Manambady dRakoto Avotry ny rafy Rahaingo Lehilahy 25 taona Manambady

Sangisangy Mily Lehilahy -(tanora) Manambady

Tamberintany Rafetrarivo Lehilahy -(tanora) Tsy manambady

Fanazavana momba ny fafana: Io fafana io dia maneho fa sokajy lehilahy avokoa no hita tao amin’ny mpandray anjara fototra. Tsy ireo lehilahy rehetra anefa fa lehilahy eo amin’ny fahatanorany sy fahalebiazany. Azo sokajiana ho roa lehibe izy ireo raha ny taona no jerena: voalohany dia ireo mbola tanora vao erotrerony, faharoa dia ireo efa lehibe. Tahaka izany no hita eo amin’ny fiankohonany: ao ireo miahy vady aman-janaka ary ao kosa ireo singany irery. Heverina fa misy antony tokoa mahatonga izao marimaritra iraisana izao eo amin’ny fisafidianana mpandray anjara fototra. Hojerentsika etsy amin’ny fizarana fahatelo izay heverina fa mahatonga izany fa andeha hiampita amin’ny fampitahana ny mpandray anjara mpanampy isika.

64

Fafana4: Famintinana momba ny mpandray anjara mpanampy:

Tantara Sokajina mpandray anjara Sokajina mpandray anjara LEHILAHY VEHIVAVY Izaho ve no diso? Solo,Rainizafy, Ramahatoraka, Razanadrasoa, Rabako, Rabary, Ragova, Admisy, Zanabary, Randrianatoandro, Rabekoronana, Rason, polisy, Avoka, Ramanindrimanana, Dokotera, Rainianja, Tadio avy any am- Bela, Mahavonjy,Rabedasy, Ramanana, Zoe,Rafaramanana, pasana Tsarila, Rainivato, Rakarabo, Rafotsibe, Naman’I Dasy Ny fahatezerany Dokotera, Rakoto, Rainijery, Raketamavo,Pendo, Rahasy, Rainizanabary, sefa kantao, Balesa, Randria, Razozefa, ny mpitandrina, sefo kantao, sekretera Ny Tantaran- Rajoelina,Ranaivo, Rajery, Ravao, Noro, mpitan-tsoratra, dRakoto Randrenja, Mpitandrina, Rangahy Razafy (tsy voafaritra ny anarany), Leva , Razafy, Avotry ny rafy Ravalo, Ndrembaliha, Reningory, Nirina, Rahely, Rabefilatro,Rainibozy,Rabezaka, Ramavo, Zafindravony, Rainibozimavo, Rainibango, Rainivelo, Beravony,Kotomanga, Soangita Rambelo, Maizinandro, Admisy, M.Sauvage, M Debonniaire

Tamberin-tany Rabeharana, Ramanambaro, Ratompo, Soalalao, Ranjatomanana, Randrianirina, Ravelomanana, Raly, ingahy Manana, Razafy, Rasolofo, Ramandia, Rabeso , Razeroma, Rasoavololona, Baovola, Dokotera, Nenifara,, vadin-dRasolofo, Raverosoa, Razanatsoa Nety,Bakovelo, Katy Sangisangy Benja , Mpivaro-damba, Samy, Ramanantsoa, , Rambelo, Polisy, Randrianary

Fafana maneho ny fampitahana ny sokajin’ny mpandray mpanampy

65

Fanazavana ny fafana: Araka io fafana io ambony io dia hita fa mibaha-toerana kokoa ny mpandray lehilahy noho ny mpandray anjara vehivavy. Raha atao ny salan’isa dia 33 no isan’ny vehivavy raha toa ka mahatratra 73 kosa ny lehilahy. Hita amin’izao fa tsy dia manana anjara toerana firy ny vehivavy tamin’ireto tantara foronina ireto. Tsy ampy antsasaky ny lehilahy akory mantsy ny isan’izy ireo rehefa natao ny fanambarana. Hasehontsika etsy amin’ny fizarana fahatelo ny fanazavana momba izany. Izay ny momba ny mpandray anjara sy ny sokajiny fa ndeha hojerena indray ny amin’ny toetra natafy ireo mpandray anjara ireo.

1.3.2- Ny toetra natafy ny mpandray anjara Raha ny toetra ny mpandray anjara no resahina dia lafin-javatra maro no azo dinihina saingy azo sokajiana ho roa lehibe izany dia ny toetra ivelany sy ny toetra anatiny. Tsy mandeha ho azy ireny toetoetry ny mpandray anjara ireny araka ny fandinihan’ i Golgdman fa misy heviny avokoa 95 Izany no antony handinihana azy. Ireo lafin-javatra roa ireo no ndeha hodinihina amin’ izany.

1.3.2.1– Ny toetra ivelany Raha miresaka toetra ivelany isika dia voafaoka ao anatin’izany ny endrika amam-bika ny toe-karena sns Amin’ny ankapobeny ireo mpandray anjara ireo dia anatin’ny sokajin’ny lehilahy avokoa. Na izany aza dia azo zaraina telo miavaka tsara ny toe-batany : ao ireo tanora vao vaky fitia, ao ny efa manambady ary ao ireo raim-pianakaviana efa nahazoazo taona. Ny zavatra tsikaritra amin’ireto mpandray anjara ireto raha ny toetra ivelany no lazaina dia ny fananan-karena. Ka ny harena ambara eto dia ireo lova navelan’ny ray aman-dreny. Izany hoe, izy ireo dia mpandova be avokoa afa-tsy Rakoto irery. Izay lafin-javatra izay no tena nisongadina tao amin’ny toetra ivelany fa ny endrika amam-bika dia toa tsy voalaza firy.

95 GOLDMAN (L), Marxismes et sciences humaines « Tout comportement humain est significatif » p 40 66

Toy izao no voalaza amin’ ny “ Izaho ve no diso” “Tany amin’ny faritanin’Ankazobe no nisy ilay tany aman- trano niombonanay mianadahy (…) nomeko ny hevi-bidin’ny anjaran’ireo mpiray tampo tamiko dia lasanay sy Rabako manontolo ny tany”

Toy izany koa no voalaza ao amin’ny “ sangisangy”

“Fa manana tokoa itompokolahy Ratsito ’ izy Ramarolahy(…) ka izy roa lahy ihany koa no nandova azy ” Izao no voalaza ao amin’ny “tamberintany” “ Azo lazaina ho nandova be Rafetrarivo” Toy izao no voalaza ao amin’ny “ ny fahatezerany” “ Koa rehefa maty Dada sy Neny (..)ary tonga ny fizaran- dova dia tonga ho azy ny hevitro handray ny ety Ambohitraivo ” Toy izao no voalaza ao amin’ny “ Tadio avy any m_pasana” “Lazaina ho mpanankarena aho nefa (...) mbola misy an’iny miombom- pananana amiko””

Ny fanindraindrana ny lova tahaka izao dia midika zavatra lehibe tokoa; azo ambara fa na dia sahirana noho fitondran-janatany aza ny Malagasy dia nisy ny azony nianteherana ka tokony hikarakara izany izy. Ny olona tsirairay manko teo amin’ny fiarahamonina malagasy dia nanana ny niaviany avokoa dia izay niavian’ireo loharano nipoirana, io no antsointsika malagasy voalohany hoe: “ Tanindrazana” Tokony ho tonga saina ny tsirairay ka hiverina any an-tanindrazana rehefa tsy nahomby ny aty an-tanàn-dehibe izay nisian’ny fandrosoana nentin’ny tandrefana. Io fampiharihariana ny lova io araka izany dia endrika iray isintonana ireo Malagasy sasany mbola variana amin’ny fandrebireben’ny mpanjanaka mba hiverina any an- Tanindrazana. Fehiny, izany dia maneho amintsika fa manana ny mahaizy azy ny Malagasy raha eo amin’ny lafiny toe-karena no ambara ka tsy tokony hiantehitra amin’ny hafa fa afaka mahaleo tena. Manana ny hareny i Madagasikara ka izany no naindraindran’ny mpanoratra eto. Ireny araka izany dia endrika fampirantiana ny maha izy azy ny firenena malagasy avokoa.

67

1.3.2.2-Ny toetra anatiny Maro ny lafin-javatra azo dinihina raha miresaka toetra anatin’ny mpandray anjara; anisan’ireny ny toe- tsainy, ny toe-panahy sy ny toe-pony entiny miatrika ny fiainana, ny finoana ananany, ny fari-pahaizany sns. Na dia maro aza ny lafin-javatra azo dinihina ao anatin’ ity zana-pizarana ity dia izay hita misongadina sy omen’ny mpanoratra lanja no ndeha hofakafakaina. Eto àry dia ny toetra amin’ny ankapobeny entin’ny olona miaina no misongadina ka io no idirantsika lalindalina kokoa . Amin’ny ankapobeny raha ny toetran’ny mpandray anjara no jerena dia toetra roa misongadina tsara no hita. Voalohany, dia ny fahatsaram-panahy izay mampiseho toetra tsotra, tia ny manodidina ary tia ny mpiara-belona aminy. Raha idirana lalindalina kokoa dia hita fa mbola nankamamy ilay toetra maha malagasy. Hita amin’izany ny finoana maro samihafa izay nentin’ny Ntaolo nandamina ny fiainana. Faharoa kosa dia ny hafetsena ka mampiseho toetra sadasada eo anatrehan’ny manodidina. Ireo toetra roa ireo no ndeha hojerentsika manaraka. Andaniny, misy ireo mpandray anjara izay mitafy toetra tsara ao anatin’ny tantara ka izany dia hita hatrany am-piandohana ka hatrany amin’ny fiafaran’ny tantara. Anisan’ireny Ravalo, i Solo i Jaonary, i Mily, Rakoto. “Hararaotiny (Ravalo) amin’ireny famangiana ireny ny fanatsarana ny fiainan’ny tantsaha” “ Avotry ny rafy”

“Izaho (Solo) kosa na tsy mpiavy teny aza, nahatsiaro fa misy asa tokony hatao ho an’ireny tambanivohitra ireny” “ Izaho ve no diso ”

“Ary farany, hoy i Solo,dia haveriko ihany, fa tsy tokony haharava fihavanana ny hevitra tsy mitovy””Izaho ve no diso ”

“Fa ny hanampy sy hanazava ny tambanivohitra, noho izaho efa leon’ny tambonivohitra, no nahatonga ahy hifindra monina ety Ambohitraivo, ka izay zavatra kely azoko hatao aminy toy ny tahaka ireny ve dia ho laviko?” “Ny fahatezerany”

“Tsy hifanadino sy tsy hifanary, koa izay sendra tafita dia hanampy izay sahirana, raha sendra ka voasaraky ny elanelan- tany lavitra , dia manana adidy izay afaka hanao hiantso ireo sisa mba hihaona , hamelo manana ny fifankatiavana” “Sangisangy”

68

“Tsy nanaovany ala-safay na tsobo-dranon- ndRamiangaly ny asa natao hahatratrarana izany tarigetra izany, fa na ny ainy aza saiky nafoiny, ary tao koa ny famonoana sy fampijaliana ara-nofo sy ara- tsaina, ny gadra sy ny sesitany nanao fiavin’ny rivotra an-kadilalana. Toa tsy tsaroana anefa ireny rehetra ireny, satria niredareda tao anaty ny finoana sy ny fanantenana fa ny voa afafy tsy maintsy mitera-bokatra, ny rano atsakaina mody ventiny. Ary dia toa tanteraka tokoa izany fanantenana sy finoana izany, fa tapaka ihany ny gadra, foana ihany ny sesitany, tafaverina ihany ny fahaleovantena.” “ Ny tantaran-dRakoto”

Araka izao dia hita fa maro ireo mpandray anjara no mitafy toetra tsara ao anatin’ny tantara. Miseho amin’ny endrika maro izany eto . Azo aravona ho roa lehibe izany dia ny fanampiana ireo mpiray rà amin’ny tena ary ny fanompoana firenena. Ireny rehetra ireny anefa dia endriky ny fitiavan- tanindrazana avokoa. Ankilany kosa dia maro ireo mpandray anjara manana toetra sadasada, izany hoe tia vola sy tia voninahitra ka miezaka mitady izany hatraiza hatraiza sy amin’ny fomba rehetra izay ahazoana izany. Anisan’izany Rahaingo izay ao amin’ny “ Avotry ny rafy”: “ Rehefa tsy ho dokotera ihany, aleo manao asan’ny goverinera. Ireny manam-pahefana ireny: mandalo tolorana akoho, mitaky hetra; hamoriana atody, vangiana am-birao , tambazan-kolikoly”

Toy izany koa no asehon’i Dasy ao amin’ny “ Tadio avy any am- pasana” “Navadiny ho lelavola ny fananana, lelavola mora entina fa maivana”

Isan’ireny koa Ramanda izay hitantsika ao amin’ny “ Izaho ve no diso ”:

“Fa na inona na inona fahantrana na fahasahiranana dia tsy natao ambanin-javatra ny fikajiana ny haja amam-boninahitra .” Ankoatra ireo dia hita ao koa ny mpanavakavaka toa an’ dRafetrarivo izay hitantsika ao amin’ny “ Tamberintany” “Ny hevitry ny lalàna , hoy Rafetrarivo nitrerona dia azy izany fa ny fihevitro dia hafa! Izao ihany no marina, hoy izy nalefaka sy nibanjina ny anabaviny:I Soalalao dia havan’i Dada ary izaho dia havan’ Neny.Ranjatomanana sy Ramanambaro kosa dia (...) tsy taovany , tsy volovolony.

69

Fafana 5:Famintinana ny toetoetry ny mpandray anjara fototra Tantara Mpandray anjara fototra Mpandray anjara mpanampy nanohitra izany Izaho ve no diso? Ramanda : tia voninahitra, Solo : tia ny manodidina, tia mpanaraka ambokiny ny tanindrazana( mpitolona) hevitry ny mpanjanaka Tadio avy any am - pasana Dasy : tia vola Belamanana : tia manampy ny hafa, tso-po Ny fahatezerany Jaonary : mpanampy Rainijery : tia rehareha sy olona, tia namana, tia voninahitra, mpanararaotra, tanindrazana tia vola Avotry ny rafy Rahaingo : tia vola, tia Ravalo : tia ny manodidina voninahitra, tia sehoseho, , tso-po, tia tanindrazana mieboebo (mpitolona) Ny tantaran- dRakoto Rakoto : tia tanindrazana Olon’ny fitondrana : (mpitolona) mpanao didiko fehy lehibe, tsy mitsinjo ny hafa Sangisangy Mily : tia namana, tso- Nety : tia mandainga, piaina mpamitaka, tia vola Tamberin- tany Rafetrarivo: Soalalao : tso-po, tia ny mitokantokana, manodidina, tsy mpanavakavaka manavakavaka

Fafana maneho ny toetoetr’ ireo mpandray anjara. Fanazavana ny fafana: Hitantsika amin’izao fafana izao fa saika toetra roa mifanohitra hatrany no hita eo amin’ny mpandray anjara. Ny voalohany dia ny toetra mbola mankamamy fihavanana ary ny faharoa dia toetra sadasada be ihany. Ao anatin’ny tantara dia saika ahitana mpandray anjara roa mifanohitra hatrany ka ny iray manana toetra mahafinaritra ary ny iray kosa manana toetra sadasada.

70

Tsy voatery ny mpandray anjara fototra no manana toetra tsara ary tsy voatery ny mpandray anjara mpanampy no manana toetra sadasada; mifamadika ireo indraindray arakaraka izay tian’ny mpanoratra hanehoana izany. Inoana fa tsy tongatonga ho azy izao fifanoherana izao ka ao amin’ny fizarana fahatelo no hamakafakantsika ny anton’izany.

1.3.3-Ny fomba nenti-nandoko ny mpandray anjara Anisan’ny zavatra iray lehibe eo amin’ny fomba nandokoana ny mpandray anjara ny fampiasana ny haiteny, ary anisan’ireny ny fitantarana. Araka ny fandinihan’ny mpikaroka dia misy fifandraisany amin’ny famakiana ny asa soratra izy ireny 96 , ka izany no antony handinihana ny momba ny fitantarana. Maro ny fomba entina mitantara saingy miankina amin’ny safidin’ny mpanoratra izany ary miankina indrindra ihany koa amin’ny tanjona tian- kotratrarina. Araka ny fandinihan’i Marcel PROUST dia misy fomba telo lehibe fampiasan’ny mpanoratra amin’ny fandokoana ny mpandray anjara ka ireto avy izy ireo: 97

 Ny mpitantara dia mahalala ny zavatra rehetra momba ny mpandray anjara hatrany amin’ny ati-fo sy fanahiny, izany hoe, manana fahalalana feno momba ny mpandray anjara izy 98  Ny mpitantara dia manana ampaham-pahalalana momba ny mpandray anjara ka ny endrika ivelany ihany no tena fantany 99  Ny mpanoratra dia mamorona mpitantara ka ny mpitantara dia ny mpandray anjara ao amin’ny tantara ihany, izany hoe, ny mpandray anjara fototra no misahana ny asa fitantarana. 100

Io fomba fiasan’i M. PROUST io no ndeha ampiharina amin’ny fandinihana ireto tantara ireto.

96 ENCYCLOPEDIE ENCARTA 2009 : «Sa lecture des textes littéraires associe à l’utislisation des concepts linguistique» 97 ENCYCLOPEDIE ENCARTA 2009 : «La narration s’organise à partir d’un ou plusieurs points de vue (.. .) Il existe trois principaux types de points de vue» 98 : ENCYCLOPEDIE ENCARTA 2009 « points de vue omniscients » 99 ENCYCLOPEDIE ENCARTA 2009 : « points de vue ou focalisation externe » 100 ENCYCLOPEDIE ENCARTA 2009, Op cit : « points de vue ou focalisation interne » 71

Mialoha izany anefa dia tsara ny anavahana ireto olona roa ireto: “mpanoratra”, “mpitantara ” satria izany dia manampy betsaka amin’ny fahazoana ny vontoatin’ny tantara 101 . Ny mpanoratra dia olona velona izay nanoratra ny boky, manana ny mombamomba azy dia ny anarany, ny vatana, ny fomba fisainany sns 102 . Manamafy izany i Yves REUTER manao hoe: ny mpanoratra dia ilay efa nisy na misy, nofo aman-drà miaina eo anivon’ny fiarahamonina 103 Ny mpitantara kosa indray dia olona tsy misy fa foronin’ny mpanoratra mba hisahana ny fitantarana; mety hita soritra ao amin’ny tantara na tsia 104 . Hoy kosa Yves REUTER raha namaritra ny atao hoe mpitantara izy: ny mpitantara dia olona foronin’ny saina, mpitatitra izay zava- misy ao anatin’ny tantara ary ao ihany no ahitana azy” 105 . Araka izany dia samy hafa ny mpanoratra sy ny mpitantara ka ny fandalinana ity faharoa ity no ndeha idirantsika lalindalina kokoa. Azo sokajiana ho roa ny fomba nentin’ny mpanoratra nandoko ny mpandray anjara eto dia: ny mpitantara manaraka ny hetsiky ny mpandray anjara ka mahalala ny aminy rehetra saingy tsy hita soritra: izany hoe ny mpitantara dia ivelan’ny zavatra tantaraina ary ny faharoa dia ny mpitantara dia ny mpandray anjara ao amin’ny tantara ihany. 1.3.3.1-Ny mpitantara ivelan’ny zavatra tantaraina: Eto ny mpitantara dia misahana ny asa fitantarana fotsiny saingy amin’izany dia fantany avokoa izay mitranga eo amin’ny mpandray anjara na ety ivelany izany na any anatiny. Ity sokajy ity no antsoin’i Gerard GENETTE hoe “ heterodiégetique” 106

101 ENCYCLOPEDIE ENCARTA 2009 : «Une claire distinction entre l’auteur et le narrateur est indispensable à la comprehension de certaines œuvres» 102 ENCYCLOPEDIE ENCARTA 2009 : «l’auteur d’ un récit est la personne réelle qui entreprend d’ écrire l’ ouvrage;il possede un nom un pseudonyme, un corps , une biographie , une subjectivité» 103 Yves REUTER, Introduction à l’ analyse du roman , Bordas, Paris, 199 1 : «L’ecrivain est celui qui existe ou a existé, en chair et en os, dans notre monde » p 36 104 ENCYCLOPEDIE ENCARTA 2009 : «Le narrateur, contrairement à l’auteur, n’est pas une personne réelle, qui assume la narration » 105 Yves REUTER, op cit : «Le narrateur est celui qui semble raconter l’histoire à l’interieur du livre, mais n’existe qu’en mots dans le texte » p 36 106 ENCYCLOPEDIE ENCARTA 2009 : «hetérodiégetique» ou le narrateur est tout à fait exterieur à l’histoire3» 72

Maneho izany ohatra ny “ Tadio avy any am- pasana ” manao hoe: “Novakian-dRadasinarivo io taratasy io, naveriny intelo vao nijanona izy. Tsemboka izy nony avy teo nefa tsy hainandro nigaina…Hay zava- mety mahatsemboka koa ny fisamboaravaran’ny eritreritra. Io no nananika ny lohan- dRadasy”

Hitantsika amin’izao fa toa mpitazana fotsiny ny mpitantara eto kanefa mahita izay miafina rehetra, mahalala hatrany amin’ny atin’ny fo sy sain’ny mpandray anjara izy, ohatra, hatrany amin’ ny eritreritr’i Dasy dia fantany avokoa. Fa toy izany koa no itantarany ny nahazo an- dRamatoa Ramanana ao amin’ny “Tadio avy any am- pasana”. “ Nifanjevo ny eritreritry Rafotsy sy ny alahelony, ka vao tonga avy any am-pandevenana dia narary izy”

Ny fitantarana ny zava-misy any amin’ny eritreritra sy ny fon’ny mpandray anjara no tena omena lanja eto ka ireny no miteraka akony eo amin’ny toe-batany Fa tahaka izany koa no nanehoan’ny mpanoratra ny voalaza ao amin’ny “ Tantaran- dRakoto”

“Nanakaiky ny trano hodiana Rakoto vao malaindaim-pamindra. Eritreritra maro samihafa no nifanotona tao an-tsainy” Toy izany koa ny hita ao amin’ny “ tamberintany ” “Ny alina dia tsy sahy namboraka ny fikasany anefa Raverosoa.Vahotra ny lelany”

Misongadina amin’izao fa misy olona voatokana mihitsy noforonin’ny mpanoratra hitantara ny zava-misy eo amin’ny mpandray anjara, na eo amin’ny endrika ivelany izany na eo amin’ny fihetseham-po. Hita amin’izany fa miezaka mampahalala ny zava- misy rehetra ny mpanoratra amin’ny alalan’ny mpitantara mba hahamora ny fandinihana. Miharihary ny fiezahan’ny mpanoratra handamina ny zavatra asehony mba tsy hananan’ny mpamaky fahasarotana. Ity paika ity mantsy no anisan’ny mahomby indrindra eo amin’ny fampitan-kafatra 107

107 ENCYCLOPEDIE ENCARTA 2009 « elle intervient dans la communication en général, qu’elle soit orale ou écrite » 73

1.3.3.2-Ny mpitantara dia mpandray anjara ihany Eto amin’ity zana-pizarana ity kosa dia ny mpandray anjara ihany no misahana ny asa fitantarana ka amin’izany dia hita soritra ao izy. Matetika dia miseho amin’ny alalan’ny mpisolo tena laharana voalohany “ Izaho ” izy. Ity paika ity no antsoin’ny mpandinika sasany hoe “focalisation interne ” na “autobiographique” ary mbola nanamafy izany i GENETTE (G) ka io no nantsoiny hoe: “Autodiégetique” 108 . Anisan’ny maneho izany ny “ Avotry ny rafy ” manao hoe: . “ Tsy atao imason’olona ary tsy fiderana tena, hoy izy anakampo fa tena tovolahy ihany tokoa anie aho .Tovolahy mihitsy mantsy e!

 Ny hoe “aho” = Rahaingo = mpandray anjara fototra Anisan’ izany koa ny “ Izaho ve no diso” “ Tapa-bolana izao no nahalasa ny taom-baovao,ary dia izao vao manomboka ho tsaroako ny fiovan’ny fiainako , noho izaho tsy miasa intsony fa mipetraka hisotro ronono”

 Ny mpisolo tena tampisaka –ko = Izaho= Ramanda = mpandray anjara fototra

Fa anisan’ny ahitana io paika io koa ny “Sangisangy”

«Siosion-dresaka fotsiny no reko hoe nanodikondina ny volam-panjakana tamin’ izy nanao «chef de canton » »  -ko= izaho= Mily = Mpandray anjara fototra

Toy izany koa ny hita ao amin’ny “ Ny fahatezerany: “Rajaonary no anarako , ary Jaona no fiantson’ny olona ahy. Efatra mianadahy izahay no zanaky Dada sy Neny ary izaho no fahatelo

 Ny mpisolo tena tampisaka –ko = Izaho= Jaona= mpandray anjara fototra. Hita amin’izao fa na dia mpanoratra samihafa aza no nanoratra ny tantara dia manana ny niraisany izy ireo dia ny fanehoana ny mpandray anjara ho mpitantara. Izy tenany ihany no mitantara ny fiainany sy ny manodidina azy.

108 ENCYCLOPEDIE ENCARTA 2009 : «Quand le narrateur est l’élève de l’histoire, le personnage principal, le recit est autodiégetique » 74

Azo tarafina avy amin’izany fa io mpandray anjara io dia mety ho sarin’ny mpanoratra izay nanoratra ny tantara ka ny fiainana nodiaviny no natafy io mpandray anjara izay noforoniny io. Tsy tiany ambara mivantana ny tenany ka izay no anton’izany. Ity tantara ity araka izany no manakaiky indrindra amin’ny zava-nisy marina niainan’ny mpanoratra na hitany 109 Ho famintinana izay voalaza izay dia indro ny hevitry Gilbert RATSIMBAZAFY momba ny fampiasana ny “ izaho ” ao amin’ny tantara foronina nosoratany no atolotray etoana:

Ny “ Izaho”dia : • Manamora kokoa ny fitantarana ny fisehoan’ny mpitantara ho anisan’ny olona tantaraina • Faharoa, mety hikasika ny fiainan’ilay mpanoratra koa ny vontoatin’ny zavatra tantaraina • Mety ho tantaran’olon-kafa no voavisavisa koa mba hialany olana amin’izay mety hovokatr’izany dia ny tenan’izy mpanoratra mihitsy no miseho manora-tena ho niaina ilay zavatra tantaraina .110

Ho fehin’izay rehetra izay dia tsapa fa nanome lanja ny fomba nenti-nandoko ny mpandray ny mpanoratra. Endrika roa lehibe no nisongadina tamin’izay izay nahafahana nanao fisintonan-kevitra toy izao: ireo mpanoratra ireo dia olona nandalina matoa afaka nifehy teknika tokana anehoana ny tantara voaporofon’ireo mpandinika vahiny izany. Manaraka izany, fantatra fa ny zava-nisy hitany na niainany no nolokoiny tamin’ny alalan’ny mpitantara. Ary farany, ireny fisehoan’ny mpitantara ireny dia anisan’ny fijoroana vavombelona ataon’ny mpanoratra fa niaina ny zava-nisy marina izy 111 .

109 ENCYCOPEDIE ENCARTA 2009 : «Le roman autobiographiques reprend des élèments très proches de la vie de l’auteur» 110 RATSIMBAZAFY (G) Ny veloma izay napetrany , p 3 111 ENCYCOPEDIE ENCARTA 2009 : «Aujourd’ hui, les autobiographies acceptent une place prépondérante dans la catalogue des éditeurs, classés dans des catégories spécifiantes «vécu», « témoingnages », «documents » ». 75

II-- NY FOMBA FANEHOAN- KEVITRA SY NY FOMBA FANORATRA

Maro ireo lafin-javatra mendrika hodinihina ao amin’ny tantara foronina; ankoatra ny singa mandrafitra ny tantara dia anisan’ny manan-danja ihany koa ny fomba fanehoan-kevitry ny mpanoratra. Ankoatra ny hevitra izay halalinina ao amin’ny tantara dia miezaka ny mpanoratra mba hanome izay kanto any aminy amin’ny alalan’ny fanehoan-kevitra 112 . Tsy singa miavaka ao amin’ny tantara akory ny fanehoan-kevitra fa misy ifandraisana betsaka amin’ny vontoatin’ny tantara izy ireny. Ny mpanoratra hafa aza moa dia milaza fa tsy misy lanjany ny famakafakana asasoratra iray raha toa ka tsy fantatra ny paika nandrafetan’ny mpanoratra azy 113 Izany no nanosika anay hijery akaiky ny paika nandrafetan’ny mpanoratra ny tantara. Koa ny fandinihina ny teny no heverinay fa zava-dehibe amin’ izany satria “ io no toy ny fiasana ikatrohana ary miankina be aminy ny fahazavan’ny hevitra ambaran’ny mpandahatra” 114 ; Mba hamakafakana izany dia hojerena voalohany ny momba ny voambolana aorian’ izany ny fomba fanoratra sy fanehoan-kevitra ary hamaranana azy dia ny sarin- teny

2.1- Ny voambolana: Zava-dehibe tokoa eo amin’ny literatiora ny voambolana ary maro karazany izy ireny. Eto anefa dia “tsy toy ny mpandrindra tononkalo ny mpanao tantara foronina fa manana ny fahalalahany tanteraka izy eo amin’ny fisafidianana izay teny tiany handravahana ny asany 115 . Ahafahanana misintona hevitra isan-karazany izy ireny ka izany no antony handinihana ny voambolana izay nandrafetan’ny mpanoratra ny tantara. Amin’ny ankapobeny dia azo sokajiana ho 4 lehibe ireo endriky ny voambolana nampiasain’ny mpanoratra teto: ao ny fototra dia ny voambolana malagasy madio.

112 SARTRE (J P), Qu’est ce que la literature ?”, Editions Gallimard, 1948 : « Il faut nous rappeler que l’écrivain (…) vise à donner à ses lecteurs une certaine de nommer plaisir esthétique » p75 113 WALLEK &WARREN (A) op cit « Elles (les études littéraires) n’ont de sens que si l’on connaît la technique artistitique du romancier en question » p 141 114 RAVELOJAONA in Mpanolotsaina Jolay 1908 , lah 19 115 SARTRE ( J P) Qu’ est ce que la litterature , Editionsd Gallimard, 1948 , p 26 « Je définirais volontiers le prosateur comme un homme qui se sert des mots » 76

Ao ihany koa ny tovana dia ny voambolana frantsay, manaraka ny voambolana frantsay nogasina ary farany dia ny fidiran’ny voambolana kristianina. Ireo sokajy efatra ireo no ndeha hojerentsika mifanesy araka ny laharam- pisehoany.

2.1.1- Ny voambolana malagasy madio Ny tantara izay nanaovana fanadihadiana eto dia narafitra tamin’ny voambolana malagasy avokoa. Tsy hanokanana ohatra intsony izany, ny antony dia efa eo ireo vondron’ ambara mba hanehoana izany . 2.1.2-Ny voambolana frantsay Na dia manana ny azy aza ny malagasy dia nahatsiaro tena fa tsy mahavita tena izy ka dia indro nindrana ny voambolana frantsay ao anatin’ny tantara. Ny enina (6) tamin’ ireo tantara fito dia nahitana izany avokoa. Santionany amin’ireny ireto: “ Hanala “breve t” aho” “Izaho ve no diso”

“Reko fa nanatona anao ny chef de canto n” “Izaho ve no diso”

«Siosion-dresaka fotsiny no reko hoe nanodikondina ny volam-panjakana tamin’ izy nanao «chef de canton » » “ Sangisangy”

«Ny fanamboarana « dossier » koa anie ry ise no asa fa izay aleha rehetra toa mandrindrina trano avokoa» “ Tantaran-drakoto”

“Ho tonga ao koa ny” “Gouverneur Général” “ Tamberintany” Toy izao no hita ao amin’ny “ Avotry ny rafy” “Mpifikitra amin’ny tanan’ ondry natolotra azy ny ankizy ka tsy manopy maso ny hofany:”égocentrique izy;” “

“Tsy noheveriny izay FRAIS” “Tadio avy any am- pasana ” Ampahany ihany ireo mba hanehoana fa nindrana ny voambolana frantsay ny mpanoratra mba hanehoana ny banga ao aminy.

77

Araka ny nambaran-dRavelojaona manao hoe (. ..) «ny fampidirana ny teny baiko, tsy misy firenena tsy manao izany, samy manana ny tsy ampy avokoa»116 . 2.1.3- Ny voambolana frantsay nogasina Tsikaritra ihany koa ny fampivadian’ny mpanoratra ny voambolana frantsay sy ny voambolana malagasy teto. Anisan’izany ireto manaraka ireto: «Tsy nisalasala izy nandray ny sigarety natolotro ho azy » “Izaho ve diso”  Ny teny hoe : sigarety dia avy amin’ny teny frantsay hoe : «cigarette» “Ilay tovolahy sefo kantao ve in y tonga teo iny ” “Izaho ve diso”  Ny teny hoe: sefo dia avy amin’ny teny frantsay hoe: “chef” ary ny hoe: kantao dia avy amin’ny hoe: “ canton” “ Hanao dokotera na avoka no tiako kanefa injieniera no tena ilain’ i Madagasikara rehefa tafaverina aminy ny Fahaleovantena ”

 Ny hoe dokotera dia avy amin’ny hoe : “docteur” ary ny hoe : avoka dia avy amin’ny hoe: “avocat” ary farany ny hoe : injieniera dia avy amin’ny hoe: “ingenieur” “ Niandry telefaonina teo amin’ny paositra izy” “Sangisangy”

 Ny hoe telefaonina dia avy amin’ny hoe: “ téléphone” “-Mbola hafa i Mose Ravalo raha handaha- teny” “Avotry ny rafy”  Ny teny hoe “Mose” dia avy amin’ny teny frantsay hoe “monsieur” “Nandeha tany amin’izay nahadiavolana ny kiboko aho, na fijerena baolina aman-tsinema , na lanonana amam-pikoranana nanasan’ny sakaiza, nefa koa namonjy fiangonana sy nihaino koferansa samihafa.” Ny fahatezerany  Ny teny hoe “ sinema” dia avy amin’ny teny frantsay hoe “cinema”

 Ny teny hoe “konferansa” dia avy amin’ny teny frantsay hoe “conference”

“Nanontany ny mpiandry raharaha teo an -dalantsara izy, dia natoron’ ireo ny birao misy an’i “Mose” Randrenja anisan’ny mpiasa ambony ao amin’ ny ministera” “Tantaran – dRakoto”  Teny hoe “mose” dia avy famin’ny teny frantsay hoe “monsieur”

116 RAVELOJAONA, “ Mpanolotsaina” jolay 1908 lah 19 78

 Teny hoe “ministera” dia avy famin’ny teny frantsay hoe “ministère” Hita amin’izao fa tsy niezaka nitady izay voambolana malagasy mifanandrify amin’ireny ny mpanoratra teto fa avy hatrany dia nampiasainy araka ny fampiasan’ny maro ny teny. Heverina fa tsy tongatonga ho azy akory ireny fa misy antony izay manosika azy. Anisan’ny fanehoany ny zava-nisy hita teo amin’ny fomba fiteny izy ireny. Fa ankoatra izany, mbola nahitana voambolana hafa tao amin’ny asasoratra’ ireo mpanoratra ireo. 2.1.4- Ny voambolana kristianina Anisan’ny hita tamin’ny ankavitsiana tamin’ireto tantara ireto ny voambolana fahita amin’ny Baiboly. Ohatra amin’ ireny ireto aseho manaraka ireto: “mividy tafon’ny Eglisy Rainijery dia avelany ny helony” “ Ny fahatezerany”

“mandravaka labozia sy voninkazo ny otely ny fianakavian- dRainijery dia voatanona ho anisan’ny zanak’ Andriamanitra” “ Ny fahatezerany ”

“ Izay indrindra no tsy hitoviantsika, hoy izy, ianao manatso- javatra amin’ny filazana hoe: “Izaho mino, izaho mino” “Tantaran- dRakoto ”

“Nirotsaka mihitsy ny ranomasoko nihaino anao nandahatra ny Jehovah no mpiandry ahy, tsy hanan- java- mahory aho” “Tantaran- dRakoto ”

“Hain’ Andriamanitra ny manova ny vato ho mofo, hoy Randria ” Ny fahatezerany Toy izay ny momba ny fampiasan’ny mpanoratra voambolana fa andeha hiampita amin’ny fomba fanehoan-kevitra sy ny fomba fanoratra isika. 2.2- Ny fomba fanoratra Lafin-javatra maro no mendrika hodinihina raha vao miresaka hoe fanehoan- kevitra sy fomba fanoratra isika. Saingy eto dia ireo hita fa tena misongadina no ezahina voaboasana. Ny anton’izany dia noho ny haitsikera izay mifototra amin’ny zava-misy ara-tantara ka manome lanja ny votoatiny.

79

Na izany aza dia tsy hodinganina ity fizarana satria hita fa tsy mandeha irery akory ny fomba fanoratry ny mpanoratra fa anisan’ny maneho sahady ny votoatiny araka ny nambaran’i ZERAFFA (M) manao hoe: ny endrika ivelany dia tsy maintsy mifandray amin’ny votoatiny 117 . Amin’ny ankapobeny dia nahitana paika telo lehibe tao amin’ny tantara: ny lahatsoratra manome vahana fitantarana mivantana, ao ihany koa ny fampiasana fehezanteny miaingitra ary farany dia ny lahatsoratra tsotra noravahina tononkalo. Ireo lafin-javatra telo ireo no ndeha hojerena etsy ambany. 2.2.1-Ny fampiasana “fitantarana mivantana” Ity paika ity no azo ambara fa endrika fototra niaingan’ny tantara rehetra teto, lahatsoratra tsotra, lahatsoratra mitantara ary indrindra manome vahana ny fifamalian- dresaka mivantana no hita misongadina eto Toy izao ohatra no hita amin’izany: “… Ary hanahirana an’i Neny koa tsinona ny hitondra an’ ireto hiverina, hoy Solo -Ireo ve tsy ho zakako, hoy Rabako - Hisaotra anareo aho toa tsy mety, tsy hisaotra toa tsy mety ihany koa amin’ izato ataonareo … fa efa tonga tety koa mantsy ilay avokà nalefanareo -Hay, hay, tsara dia tsara izay…”” Izaho ve no diso”

“ – Fa ahoana re ity hoy Benja, ahoana no toa tsy mivovo ity izy, fa toa miseho ho faly aza - Ndeha aloha safoina ny manodidina, hoy Samy” - Eny hoy Ramanana , ary aza misy misaratsaraka fa aoka hiaraka daholo” “Sangisangy ”

-Zanak’ iza? -Efa maty ny rainy sy ny reniny -Inona no asa ataony? - mpivarotra (...) -Protestanta sa katolika ? - Prostestanta toa antsika ihany “ Tamberintany”

-Mbola hafa i Mose Ravalo raha handaha- teny -Ravalo maivan- kitsaka ve? -Ragovanareo mavesa-danja fa mana- kevitra lanjan’ akotry “ Avotry ny rafy”

-Dokotera o! Hoy izy nitalaho, aza avela hisotro toaka intsony Dadatoa

117 ZERAFFA (M), Roman et société , Collection Sup, PUF, Paris, 197 1 : « La forme doit nécéssairement correspondre à un certain état, ou plutôt à un certain statut des contenus » p 57 80

-f’ angaha misotro toaka izy? -Tena misotro be mihitsy izy “ Ny fahatezerany ”

-Ka inona izany no holazaiko azy , hoy ilay iraka - izaho koa tsy mahalala izay holazainao any, hoy Zoe. “Tadio avy any am- pasana”

-Ato ve anaka no misy ny fiasan’ Andriamatoa Randrenja? hoy Rakoto - Eny tompoko hoy ilay zazavavy. Inona izay itadiavanao azy izay? - Misy resaka kely tiako hatao aminy, anaka , hoy Rakoto. -Tsy azonao lazaina ahy angaha fa izaho no sekreterany? - Izy no mba tiako hiresahana manokana , hoy Rakoto “ Tantaran-dRakoto”

Eto dia hita fa tsy nilatsaka ho mpanelanelana ny mpitantara fa avy hatrany dia ny tenin’ny mpandray anjara no asehony. Mitana anjara toerana lehibe eo amin’ny tantara izany paika izany; ireny fomba ireny mantsy no mametraka ny lahatsoratra ho azo inoana, izany hoe, manome aina kokoa ny lahatsoratra ny fanehoana mivantana ny tenin’ny mpandray anjara toy izao. Araka fijerin’i PROUST (M) manao hoe: ny fampiasana ny fitantarana mivantana dia manazava ny maha izy azy ny mpiteny ka ny toe-javatra tantaraina dia ny zava-misy marina 118 . Manana anjara asa goavana araka izany ity paika ity koa tsy nahagaga raha toa ka fototra niaingan’ny tantara rehetra izy. 2.2.2- Ny filalaovana amin’ireo fomba fiteny miaingitra Tsy nionona tamin’ny fomba fitantarana mivantana ny mpanoratra sasany fa nitady hevitra hanehoana ny asasorany. Teto àry dia nisongadina ny tantara “ Avotry ny rafy ” izay nahitana fomba fiteny miaingitra marobe.

118 ENCYCLOPEDIE ENCARTA 2009 : «Le discour direct (…) qui explicite l’identité de l’énonciateur. Le dialogue crée en effet «mimetique», la réalité d’une conversation réelle étant davantange que reconstituée» 81

Toy izao no santionany amin’izany: “voninahitra omena tantely fa ny fary mba mamy ihany Voninahitra omena sobika fa ny fatram-bary no tompon’ny fatra Voninahitra omena sinibe fa ny zinga no tompon’ny tantana Voninahitra omena an’i Vakiniadiana fa i Vonizongo mba mpamahy omby ihany koa”

“Raha misy mitsipelika toy ny trondro any, misy tandroho tsara laina aty; raha misy ombimanga mitrena an- tanety any, misy lalomena mirehoka am- parihy aty”

“Izy taolan-trondro maranitra tsy hanin’ny amboa lava nify, Izaho kosa sifotra antitra tsy mahavazaha renivorona” “ Avotry ny rafy”

Ireny fomba fiteny miaingitra ireny amin’ny ankapobeny dia natao mba hahakanto ny lahatsoratra, izany hoe, mba ho lahatsoratra manaitra, mahaliana ary mihataka amin’ny fahita andavanandro. Araka ny nambaran’i SARTRE (J P) hoe: tsy ny hevitra no mahakanto na tsia ny asa soratra fa ny fahaizan’ny mpanoratra maneho izany hevitra izany, amin’ny alalan’ny fitantarana miavaka amin’ny andavanandro 119 . Manaraka izany, mba tsy hanafintohina ny andaniny dia namboarina ny fomba fiteny, natao malefadefaka kokoa. Araka izany, sady haingo no fepetra maha literatiora ny asa soratra iray ny fomba fiteny miaingitra kanefa izany akory tsy milaza hoe izay tsy misy fiteny miaingitra dia tsy literatiora fa maro ny fomba fiteny natao hahakanto ny literatiora ka anjaran’ny mpanoratra no misafidy ireny arakaraka ny tanjona tiana hotratrarina. Ankoatra izany mitaiza ny sain’ny mpamaky ihany ny fampiasana fomba fiteny miaingitra satria avy amin’izany ny mpamaky no miezaka manakatra izay tian’ny mpanoratra hambara. Noho izany, sady miteraka fahalalana ho an’ny mpamaky ity paika no mamolavola ny saina ihany koa mba hanadihady. Tsapa araka izay fa manana ny maha izy azy ny paika tsirairay.

119 SARTRE (J P) Op cit : «On n’est pas écrivain pour avoir choisi de dire certaines choses mais pour avoir choisi de les dire d’une certaine façon » p 32 82

2.2.3- Ny fampiasana tononkalo Misy ny mpanoratra nisafidy tononkalo mba handravahana ny asasorany ka tantara 3 tamin’ ireo nanaovana fanadihadiana no nahitana izany dia ny “ Avotry ny rafy” sy ny “ Ny fahatezerany” ary ny “Tadio avy any am- pasana”. Tsy tongatonga ho azy ireny fa manampy betsaka amin’ny fanehoana hevitra. Miseho amina endrika roa lehibe izany eto: dia ny findramana tononkalona mpanoratra hafa ary ny faharoa dia ny famoronana tononkalo iray na roa ivelan’ny famoronana tantara Toy izao no santionany nalaina tao amin’ny “ Ny fahatezerany” “Boboka aho ry Tanindrazako (….) Ka avela ianao ho eo Aiza ve k’ izao irery Fa izaho sy ny hazakazako Sisa no natao hijery Handositra fa efa leo Izato endrikao mivava Izato fahorianao Sy ny hasoanao voarava Sy ny fijalianao Fa ny maro dia efa tola Izay manjary fahoriako Ao ny lasa babom- bola Ary lamba fitafiako Ao ny reraky ny tolona …”

Marihina fa io ampahan-tononkalo io dia nalaina tao amin’ny tononkalon-dRADO (Georges ANDRIAMANANTENA). Mazava araka izany fa tsy tompony fa mpindrana ihany ny mpanoratra eto. Natao izany mba anehoany ny heviny. Izany hoe, fomba fanehoan-kevitra iray hafa koa ny fampiasana tononkalo ao anatin’ny tantara foronina araka ireto tantara nohadihadina ireto. Fa ankoatra ny maha fahenoan-kevitra azy dia hita ihany koa fa nataon’ny mpanoratra haingon’ny tantara io tononkalo satria sady manome endrika ny tantara izy no misarika ny saina hamaky ny tantara. Fa anjara asa iray lehibe sady farany, hita ihany koa fa manana anjara asa goavana ao amin’ny tantara izy. Io mantsy no karazana fitaovana iray ampiasain’ny mpanoratra mba hamintinana ny fizarana na ny hevi-dehibe ao amin’ny lahatsoratra ka asehon’ny mpanoratra eny am-piandohana na amin’ny fiafaran’ny tantara. Toy izao kosa indray ny ampahany amin’ny fizarana faharoa izay efa mamintina sahady ny tantara:

Tsia fa hiova hevitra aho Miara- maty eto isika Ka n’ inona fitraho Miara rava sy mivika Sy fandondonao ho rava Fa tsy tohan’ny fisainako Hiorina eto lalandava Sy Tsy zakan’ny faianako Ny fisiako manontolo Izay ianao ho rava irery Na eo ianao na bobngolo Tsy mba misy mpampahery 83

Hitantsika amin’izao fa nindrana ny tononkalon-dRADO ny mpanoratra eto mba hamintinana ny tantara. Eto amin’ity fizarana faharoa ity dia ity ampahany faharoa amin’ny tononkalon-dRADO ity no entin’ny mpanoratra milaza ny fiovany; tsy nitady fehezanteny hafa izy ilazana izay mahazo ny mpandray anjara fa ny tononkalo no asehony ka ao anatin’izay ny mpamaky no mandray lesona na mandalina izay tian’ny mpanoratra ambara. Hita amin’ izao àry fa paika iray miavaka amin’ny andavanandro ity nampiasain’ny mpanoratra mba ho haingon’ny tantara ankilany ary ho fanehoan- kevitra andaniny. Mahafeno ny fepetra ary hita fa mahalaza hevitra tsara ny tranga toy izao ary ambonin’izany miteraka fahalianana ho an’ny mpamaky satria manamora ny fahazoan-kevitra. Faharoa, ao koa ireo namorona tononkalo vaovao mba hamenoana ny banga eo amin’ny tantara foronina. Santionany ihany ity aseho ity izay hita tao amin’ny “ Tadio avy any am- pasana. “Ry zoery, ry Zoery hany tokana notiaviko O ry bika be mpidera, ny tarehy Mafy loatra ny hijery iry lalana notsiriritina nodiavina Zay voatototry ny tany sy niniana Fa miselontselona eny ilay aloky ny norovitina fasana Aiza re no iantefan’ ity silaka napetraka Sy tandindon’ny olon-tiana toa ho Miandry tanjona hitodiana fa torovana sy avy ka andrasana ketraka”

Toy izao kosa no santionany hita ao amin’ny “ Avotry ny rafy”

Na haingo na ravaka na bika Ilaozy ny hira tsy miady bà Na fomba fihetsika na mozika Meteza hiangaly ny polkà Tsy maintsy onàn’ny zanantsika Tsy maintsy ifotoran’ ireo tantsaha Hanahaka n andron’ny atomika Ny mianatra ny fomba vazahazaha

Hitantsika amin’izao fa tsy vitan’ny manome haingo ny asa soratra fotsiny ny tononkalo fa maneho ny vetsovetsom-pon’ny mpandray anjara mihitsy izy noho ny zava-misy iainany, izany hoe misy ireo hetsika ataon’ny mpandray anjara azo tantaraina mivantana na ankolaka; misy kosa mitaky fomba manokana, ka eto dia ny famoronan’ny mpandray anjara tononkalo no mahafeno izay fepetra izany. Izany dia toa milaza fa tena mafy ny mahazo ny mpandray anjara ka mampitroatra ny vetsovetsony. 84

Tsapa fa anisan’ny tena zava-dehibe ity paika ity satria manome aina ny tantara ho toy ny zava-nisy marina. Azo ambara ihany koa fa mitaiza ny fihetseham-pon’ny mpamaky ny mpanoratra ka amin’ny alalan’ny zava-misy iainan’ny mpandray anjara no itaomany ny mpamaky mba hiombona habaka aminy ka rehefa faly ny mpandray anjara dia mihomehy koa ny mpamaky, rehefa tojo olana kosa izy dia miombona alahelo aminy ny mpamaky. Izay ny momba ny fampiasana tononkalo fa andeha hojerentsika indray ny momba ny fampiasana ohabolana na oha-pitenenana.

2.2.4- Ny filalaovana amina ohabolana na oha-pitenenana Fa tsy latsa-danja tamin’ ireny rehetra ireny ny fampiasana ny mpanoratra ohabolana na oha- pitenenana isan-karazana. Iniana horesahina ity zana-pizarana ity satria ity no mamelona ny asa soratra iray ho toy ny tena izy. Ny ohabolana na oha- pitenenana mantsy dia ampahan-dahatsoratra kely voatahiry maneho teo-javatra eken’ny olon-drehetra mpiray ombon-teny 120 araka ny voalazan’ny firaketana vahiny? Ampahany amin’ireo hita ao amin’ny lahatsoratra ihany no entinay eto: Tadio avy any am- pasana: - “Ny hanambadian- kiadanana” “-Tsarovy fa “ny maty arahin- dambamena , ary ny velona mila fotsim- bary” -“ Manana zazalahy sy zazavavy” -“Aleo hendry ipetrahan’ ariary toy izay adala ipetrahan’arivo” Avotry ny rafy: -“Aza ny lohasaha mangina no heverina fa Andriamanitra an- tampon’ny loha” -“Tao trano tsy efan’ irery” Izaho ve no diso: - “Ny marina mitavozavoza tsy mahaleo ny lainga tsara lahatra” “Aza manao mangidy tsy andramana” “Tanin’ andriana tian- konenana ka satan’ andriana no tsy maintsy harahina” Ny fahatezerany: -“ Tanala very sampy ka manova no mety” “Ny Havana ihany no Havana” “ Ny omby indray mandry tsy indray mifoha” Ny tantaran- dRakoto: Tsy misy mafy tsy laitran’ny zoto

120 ENCYCLOPEDIE ENCARTA 2009 : «Les proverbes sont des formules courtes et populaires qui expriment des idées admises comme vrai, des croyances répandues et des conseils». 85

Hitantsika amin’izao fa dia niezaka tokoa ireto mpanoratra ireto mba hamohafoha ny fomba fiteny maha malagasy. Ny fampiasana ity ohabolana na oha- pitenanana ity dia heverina fa paika iray anehoana fa manana ny maha izy azy ny teny malagasy. Tahaka ny teny vahiny ihany ny teny malagasy manana ny mampiavaka azy izay tsy nalain-tahaka tamin’ny hafa ary ahazoana mitaratra ny kolontsaim-pirenena. Ankoatra izany, fomba fanehoan-kevitra iray tena manan-danja io noho izy hanehoana ny zava-misy marina sy ny lojikam-piainana121 . Fehiny, maro karazana ny fomba fanoratra na fomba fanehoan- kevitra saingy arakaraka ny hetsika ataon’ny mpandray anjara na ny tanjona no hisafidianan’ny mpanoratra izany. Misy vitan’ny fomba filaza tsotra, misy somary mampiasa fomba fiteny miaingitra fa misy koa misafidy tononkalo mba hamenoana ny banga; fa anisan’ireny ihany koa ny filalaovana amina ohabolana maromaro na oha-pitenenana. Ireny rehetra ireny dia tsy inona akory fa ilay endrika kanto ao amin’ny literatiora avokoa dia ny mahaliteratiora ny literatiora. Araka ny filazan’i Esther RANDRIAMAMONJY manao hoe: “ (…) Ny mahakanto ny asa sorotra anankiray dia izy mampita hevitra ombam-pihetseham-pon’ny mpanoratra amin’ny fomba kanto, mahaliana sy mahasarika ny saina avy hatrany (…)” 122 . Fa manampy izany rehetra izany dia ahazoa-mitaratra ny zava-nisy ihany koa ireny fomba fanoratra ireny, saingy atokantsika ao amin’ny fizarana fahatelo izany.

121 ENCYCLOPEDIE ENCARTA 2009 : «Le proverbe est une forme (…) qui exprime un vrai , une lojique». 122 RANDRIAMAMONJY (R), Rary kanto , 1995, tak 7 86

III-NY VOTOATIN’ NY TANTARA

Teo am-pandinihana ireo tantara ireo dia maro ireo hevitra voaangona saingy na izany aza dia izay hita ho tena misongadina no hanompanana izao fanadihadiana izao Anisan’ izany ireto: ny famotsipotsirana ny tsy rariny ataon’ny mpanjanan-tany, ny tolona ho fitiavan-tanindrazana, ny fisaraham-bazana teo amin’ny mpandray anjara ary farany dia ny fahadisoam-panantenana nahazo ireo mpandray anjara. Antony roa lehibe no nahatonga anay hisafidy ireo tara-kevitra ireo ho voaboasana ato amin’ity fizarana ity. Voalohany, noho ny amin’ny gazety, izay mifototra kokoa amin’ny lafiny politika. Ny gazety Imongo vaovao dia saika mirona kokoa amin’ny famotsipotsirana ireo tsy rariny mihatra amin’ny vahoaka malagasy sy ny rafi- pitondrana nisy teto Madagasikara. Faharoa, noho ny amin’ ny vanim-potoana; tsapa fa ity vanim-potoana ity dia vanim-potoana nanana ny tantarany teo amin’ny fiainam-pirenena. Eto mantsy no kihon-lalana nanova ny tantaran’i Madagasikara. Niala tao anatin’ny gejan’ny fanjanahantany i Madagasikara ary nandray ny fahaleovantenany indray. Tamin’ny famakafakana natao tamin’ireo tantara hita no nahafahana nanao izao fandaminan-kevitra izao. Amin’ny ankapobeny dia azo aravona ho vanim-potoana roa lehibe ny vokatra azo: Voalohany dia ny vanim-potoana fanjanahantany ary faharoa dia ny vanim-potoana nahazoana ny fahaleovantena. Ireo fizarana roa ireo no ndeha hovoaboasana etsy ambany araka ny nahitana azy ao amin’ny tantara. Alohan’ny hidirana amin’ny tena vontoatin-dresaka dia tiana ny manao izao fanamarihana izao. Izao vokatra atolotra izao dia mirona kokoa amin’ny resaka teti- pitondrana; tsy mahagaga izany satria ny gazety Imongo vaovao izay namoaka ny tantara dia anisan’ireo nitolona ho an’ny Tanindrazana ka nampiharihary ireo tsy rariny nataon’ny mpanjanaka ary nanohitra ny saritsarim-pahaleovantena. Ny tantara izay navoakany araka izany dia saika manohana ny foto-kevitry ny gazety Imongo Vaovao avokoa.

87

3.1-Vanim-potoana fanjanahantany Maro ireo toe-javatra nanamarika ity vanim-potoana ity araka ny fandalinana ireo tantara 3.1.1-Famotsipotsirana ny tsy rariny ataon’ireo mpanjanaka Ny tantara foronina dia endri- piaraha-monina iray mivaingana hivela ho an’ny taranaka ary natao hanamafisana izay voalaza ao amin’ny tantaram-pirenena. Azo ambara mantsy fa lafiny teorika ihany ny voalaza ao amin’ny tantara fa ny tantara foronina no ohatra iray mivaingana maneho izay voalaza any. Ity vanim-potoana ity àry no tena ohatra iray mivaingana mampibaribary izany. Teto mantsy no nampamaivay ny tolom- panafahana, ka niteraka ny ady goavana nifanandrinan’ny Malagasy sy ny Frantsay. Niharihary loatra mantsy ireo endri-panandevozana maro samihafa nampiharina tamin’ny Malagasy hany ka namela dindo teo amin’ny asa soratr’ireo mpanoratra malagasy izany. Santionany amin’izany karazana fampijaliana niainan’ny mpandray anjara tamin’izany ireto aseho manaraka ireto. Mba hahamora ny fandalinana dia atomboka amin’ny zava-nihatra ara-batana Toy izao no no voalaza ao amin’ny “Avotry ny rafy ”

“Hikabary ny lehibe ka izay tsy manatrika eo dia hihinana dimy andro any an- tranomaizina”

“Telo andro taorian’ izay dia nanatona ny Administrateur Mose sauvage aho mba hitory an-dry Beravony ny ny namany” -gadrao mandritra ny 10 andro. Volomborona misetra tadio ry Beravony ka tany am-ponja vao tafatombina”

Tahaka izany no endri-pitondrana nisy niainan’ny mpandray anjara tamin’ity vanim- potoana voalohany ity. Endrika didy jadona ary tena ahitana fampijaliana mamaivay tokoa. Tahaka izany koa no nihatra tamin-dRajaonary izay niezaka mba hifampisasaka amin’ny mpiasa ny taniny kanefa tsy neken-dRainijery izany : “Ny ampahatelon’ny vokatra lehity no omena izay miasa ny tany farafaratsiny na ny ampahahefany aza fa tsy ny antsasany” “Ny fahatezerany ”

Hitantsika amin’izany ny fanaparana fahefana ataon’ireny manan-tany tamin’ireo vahoaka madinika. Fanararaotana hita mivandravandra izao saingy tsy afaka mankaiza. 88

Anisan’ny mba niezaka nanavao izany endri-piaraha-miasa izany i Jaonary kanefa fampihorohoroana no azony. . Izany hoe, raha mba niezaka nanao izay mety hanampiana ireo iray rà aminy i Jaonary dia famotehana izany kosa no nataon-dRainijery taminy. Hoy izy amin’izany “ Tsy efa nilaza tamin’ ialahy ny fomba fanakaramana ve aho lehity ka mody maty eo ialahy (…). Mitady ialahy ka hahita. Hahita tokoa ialahy ry Jaonary”

Ankoatra izany dia teo ihany koa ny fanararaotan’ireo mpanam-bola sy tany. Anisan’ireny Rainijery izay mpanan-karena nanararaotra ireo olona sahirana izay tsy maintsy miaritra izay hanaovana azy mba hahazoana sakafo kely hohanina. Tahaka izao no voalaza ao amin’ny Ny fahatezerany : “-...Ny fananana omby no tena zavatra fa anankiray dia izay no hanajan’ny olona anao ary vidin- kaja ,vidim- boninahitra fa mba nanana ny lazana ihany ny ray aman- drenin’ ialahy(…)

- Nanaraka ny Omby novidiako taminy dia ny taniko kosa no novidin- dRainijery na karazany lasany maina fotsiny aza raha izay no azo ilazana azy”

Izany dia mampiseho amintsika fa fetsy ratsy ireo antokon’olona ireo, izay nitady harena tamin’ny alalan’ny fampijaliana na fampihorohoroana. Izany zavatra izany dia ahatarafana ny endri-pitondrana nisy teo amin’ny fiarahamonina izay hita fa didin’ny be sandry sy ny manam-bola. Mety ho tambitamby no anomezana anao mora kanefa ny takalon’izay dia tsy voafetra, rehefa tsy manaiky tambitamby ny mpandray anjara dia ny herin’ny fahefana ananany no ampiharina. Mbola manamafy ireny ny fihetsiky Rahaingo goverinera ao amin’ny Avotry ny rafy, izay mampiasa ny fahefana mba hampihorohoroana ny hafa.Toy izao no voalaza ao amin’izany:

“Eo amin’ny mpivaro-kena aho mazàna no miato. Asaiko angonina ho ahy avokoa ny losony sy ny sakaizam- patsany. Vola loso monja no atsipiko eo ambony akalana dia avelako eo Rangahy mpivarotra sy ny tahony….” Tahaka izany no toe-javatra niainan’ny mpandray anjara tamin’ ity vanim- potoana ity. Izany dia ahatarafantsika fa niaina tao anaty fijaliana sy horohoro tanteraka ireo mpandray anjara ireo. 89

Na ireo manam-pahefana na ireo mpanam-bola dia samy manao izay tiany avokoa amin’ny fanambakana ireo madinika, hany ka fijaliana tanteraka no niainan’ireo mpitrongy vao homana teo ambany fahefan’izy ireo.

Nihatra araka izany ny fampijaliana rehefa tsy mifanaraka amin’ny ataon’ny mpitondra, ary manginy fotsiny ny fanararaotana samihafa mba hakana ny fananan’olona. Fa tsy teo amin’ ny ara-batana ihany akory no nahitana izany tsy rariny izany fa teo amin’ny kolontsaina indrindra koa. Noterena ny olona mba hiala amin’ny fombany fa nampianarina kosa ny fomba vahiny. Nahitana izany na teo amin’ny fomba fisainana na teo amin’ny fomba fihetsika ivelany. Toy izao no hita tamin’izany: “Fa nampanalain’i Mose Sauvage indroa isankerinandro aho mba hampianariny fanjanahan- tsaina…. Najanona ny velatanana, tsy niakan- tsehatra ny mpihira gasy fa mankadilo ny “sofina sivilize”; noterena ny tanora hianatra bal” “ Avotry ny rafy”

Anisan’ny voalohan-daharana tamin’ izany ohatra ny fianarana ny teny vahiny ka toy izao no santionany amin’ izany. « Satria efa vazaha ny tany ka aoka aho hamitsoka teny vazaha : merci de merci anao nous paysans mose le goverinera » “ Avotry ny rafy ”

Santionany ihany ireny mba hahafahana maneho fa noterena ny olona hanaraka ny sitrapon’ ireo mpitondra. Teto amin’ity sehatra ity araka izany no nahitana fiovana lehibe satria dia endrim-pandrosoana mahaliana ny tanora indrindra no tena nisarihana ny olona hany ka nandaitra tsy nisy toy izany ny fampianarana. Amin’ny ankapobeny dia tsy voalanjalanja intsony ny ratsy sy ny tsara tao anatin’ireny fandrosoana ireo ka dia noraisina araka izay hita sy re. Sady nahaliana ity endri-pandrosoana ity no teo ihany koa ny tahotra ny mpitondra koa tsy nahagaga araka izany raha toa ka voatelin’ny kolontsaina vahiny ny kolontsaina malagasy. Izany rehetra izany dia ahitantsika fa niova ny toe-tsaina teto, noho ny tahotra mantsy dia voatery nanantanteraka izay nampanaovina azy ny vahoaka. Saika nanjavona avokoa araka izao ny mahamalagasy ny Malagasy nanomboka tamin’ny fiandrianam-pireneny izany, ny taniny, ny kolontsainy sy ny maro hafa . 90

Tsy nandalo fotsiny teo ambany mason’ ireo vahoaka voageja izany fa nanaitra azy ka nahatonga azy hanohitra.

3.1.2- Ny fitiavan-tanindrazana Amin’ny ankapobeny dia ny fahatsiarovan-tenan’ireo antokon’olona sasany no aseho’ny tantara eto. Maro ireo endrika isehoan’ izany ka voalohan-daharana amin’ireny tolona ho fanafahana ny firenena. Tolona ho fikatsahana fahaleovantenam- pirenena ny foto-kevitra iray lehibe teto amin’ ity vanim-potoana ity izany, ka Fahaleovantena madio miainga amin’ny fitakiana tsotra tsy ahitana fampiasana hery no tarigetra amin’izany. Anisany solon-tena mitondra izany foto-kevitra izany i Solo, Rakoto ary Ravalo. Toy ny nataon’i Solo izay hitantsika ao amin’ny “Izaho ve no diso”: “ Tsy nangalatra na namono olona izy fa voapanga ho mpikomy noho ny fitiavan-Tanindrazana” lah 26

Fa tahaka izany koa no foto-kevitra voizin-dRavalo ao amin’ “Avotry ny rafy “ Ho takiantsika amin-pahendrena ny zo aman-tsata mahaisika antsika”

“Tsy handroaka vazaha tompokolahy fa hitaky moramora ny fahaleovantena” lah 76

Toraka izany koa no sori-dalana nolalovan-dRakoto ao amin’ny “ Ny tantaran- dRakoto” “Nijaliana vatana sy nijaly eritreritra, naminavina ny tolona tsy maintsy nataonareo mba hahafahana miaina(….) Inona anefa no nahatonga izany rehetra izany? –Satria nanao ny aiko ho tsy zavatra aho teo amin’ny fanompoako firenena, ary na dia ny ainareo efa-mianaka ary dia nataonareo tsy ho zavatra koa ”

Amin’ny ankapobeny dia olona niaritra ny mafy noho ny fampijaliana nataon’ireo mpanjanaka ireo olona hita fa nitolona ho an’ny firenena ireo, ary raha halalinana kokoa dia ireo olona ao anatin’ny sarangan’olon-tsotra avokoa, izany hoe, mpianatra, mpampianatra, mpiasa madinika … Tsy niombon-kevitra tamin’ny mpanjanaka izy ireo ka vonona ny hanohitra izany amim-pahendrena. 91

Azo ambara fa ireo olona izay nahatsapa ny tsy rariny ataon’ny mpitondra no nijoro haneho ny tsy fankasitrahana izany fitondrana nisy izany. Tolona goavana tokoa no natrehiny tamin’izany satria nihatra tamin’ny aina ny fampijaliana azy ireo tany am-pigadrana. Manginy fotsiny ny vady aman-janaka izay tsy nisy mpiahy intsony fa nilaozan’ny raim-pianakaviana. Raha fehezina izany dia hita fa mifototra amin’ny lafiny teti-pitondrana. Niresahina indrindra ny momba ny tolona nataon’ ireo mpandray anjara ho fanoherana ny rafi- pitondrana tamin’ ny fanjanahantany. Nisongadina tao anatin’izay famakafakana izay fa sorona ho fanafahana ny firenena teo ambany ziogan’ireo mpanjanan-tany no nataon’ireo mpandray anjara ireo mba hahazoana ny fahaleovantena. Tsy teo amin’ny lafiny fitondrana ihany anefa no nahitana ny fitakiana ny fahaleovantena fa teo amin’ny lafiny maro ka anisan’ny tena nezahiny naverina ny kolontsaina malagasy.

3.1.2.1-Fitiavana ireo mpiray rà amin’ny tena Maro ihany koa ireo olona izay tsy niditra lalina tamin’ny tolona ho an’ny Tanindrazana saingy na izany aza dia niezaka haneho fitiavana amin’ny mpiara-belona aminy. Raha halalinina kokoa izany dia izao: ilay foto-pisainana maha malagasy ny Malagasy no naindraindrany araka izay azony natao sy ny hery teo am- pelatanany Anisan’ ireny i Jaonary izay hita ao amin’ny “ Ny fahatezerany ”: “Fa hanampy sy hanazava ny tambanivohitra, noho izaho efa leon’ny tambonivohitra no nahatonga ahy hifindra ety Ambohitraivo” Fa anisan’ireny koa i Mily ao amin’ny “ Sangisangy” “Fitiavana: aiza re dia hasaina lava izao isika izay indray mbola mitondra zavatra.- Hitako izao fa tena am-pahatsoram-po tokoa no andraisany antsika” Anisany voady nataon’ izy efa-dahy ary ny hoe: “ Tsy hifanadino sy tsy hifanary, koa izay sendra tafita dia hanampy izay sahirana” “Sangisangy” Fa mbola toy izany koa no foto-kevitra ijoroan-dRasoalalao ao amin’ny “tamberintany ” “Rasaoalalao dia nanampy azy tamin’ny fitanana ny bokim-barony” lah 25

92

Ireo rehetra ireo dia mampiseho amintsika ilay endriky ny toe-tsaina malagasy; mankamamy firaisan-kina sy fihavanana. Noho ny fandrosoana nentin’ny vahiny mantsy dia niova be ihany ny toe-tsaina sy ny fomba fisainana malagasy. Ho famerenana ilay toe-tsaina tena malagasy araka izany no tiana havoitra eto. Heverina araka ireo voalaza ireo fa zava-dehibe ny fampisehoana ny fitiavana. Fitiavana ny havana, ny namana, ny mpiara-belona amin’ ny tena, eny hatramin’ny mpiray tanindrazana amin’ny tena. Ka izany fitiavana izany dia miseho amin’ny alalan’ny fanampiana ireo manodidina sy ny mpiray rà amin’ny tena satria ireny dia efa azo sokajiana ao anatin’ny hoe: “ Tanindrazana” araka ny voalazan’i Régis RAJEMISA (R) : “Tsy ireo voalaza ireo ihany anefa no atao hoe: “tanindrazana” (…) Azo antsoina hoe koa tanindrazana ny olona iray rà amin’ny tena”. 123

3.1.2.2- Fitaomana ny olona hamerina ny hasina mahamalagasy Firenena mahafeno ny fepetra mahafirenena azy i Madagasikara anisan’izany ny fananany tany midadasika, ny teny ary ny tantara. Manana ny taniny i Madagasikara izay azy mahaleotena fa tsy ikambanany amin’ny hafa ary itoeran’ireo vahoaka malagasy. Manana ny teniny ihany koa izy izay ifaneraseran’ny mponina ao aminy ary mitahiry ireo kolontsaina sy fomba amam-panao maro isan-karazany ary iavahany amin’ny firenena hafa. Farany, anisan’ny zava-dehibe maha firenena an’i Madagasikara ihany koa ny tantarany satria tahaka ny firenen-drehetra i Madagasikara dia manana ny tantara niandohany sy nolalovany izay ampianarina ireo taranaka aty aoriana. Izany rehetra izany no nolotoina mba tsy hahafirenena intsony an’i Madagasikara. Notakonana tao ambadiky ny kolontsaina vahiny ireny ka dia niova nanaraka izany ny toe-tsaina malagasy. Mba hamerenana izany hasina mahafirenena an’i Madagasikara izany dia nataon’ny mpanoratra ezaka goavana ny fampiharihariana ny fahatsaran’ny fomba malagasy. Natomboka tamin’ny toe-tsaina izany, ao koa ny taozavatra ananan’ny firenena ary farany ny teniny ny kolontsainy sy ireo fialam-boly maro samihafa. Toy izao ohatra no hita ao amin’ny “ Avotry ny rafy ” “ Ny fanahy no olona;” lah 44

123 Régis RAJEMISA RAOLISON, Tononkalo sy lahatsoratra , laharana faha 6 ; tak 42- 43 93

“Fohaziny ireo fomba fanajana nahasotiny ny Ntaolo, fitandroana fihavanana , dinam-pokonolona , kaloiny eo koa ny kalon’ ny ela (…) ”

Izany hoe, teo amin’ny toe-tsaina amam-panahy dia nezahina naverina mba hametrahana ilay lamina nitondran’ ny Ntaolo ny fiarahamonina malagasy. Tsy ny hery na ny vola no maha olona ny olona fa ny fananany ny fanahy ka mahatonga azy hana-tahotra, hahay handanjalanja ny mety sy ny tsy mety; ny rariny sy ny tsy rariny. Fa tsy teo amin’ ny lafiny toe-tsaina ihany no nanentanana ny olona; fa teo ihany koa ny fampisehoana amin’ny hafa fa mahavita zavatra tsara ny Malagasy. Toy izao no anehoany izany ao amin’ny “ Avotry ny rafy ” “Ny fanaka dia tsy misy avy any ivelany fa taozavatr’Ambositra avokoa ..; ireo sary hosodoko mampiseho ny hasoan’i Tritriva nitsapan-dRabeniony sy Ravolahanta ny halalin’ny fitiavana, ny havoanan’ Ambohimanjaka, ireo amontana sy alam-poana, ny tendron’i vohiparara, mavamavana manainga vetso”

Fa izany zavatra izany dia mbola tovanany fampianarana momba ny literatiora malagasy sy ny teny malagasy. Toy izao no voalaza ao amin’ ny “Inona no fandaharam-potoana anio alatsinainy tompoko? “Fanabeazam- boho ny zava-kanto malagasy ka inona no atao amin’izany :Manazava ohabolana tranainy ireo ela nihetezana ka lava volo.

Fohaziny ireo fomba fanajana nahasotiny ny Ntaolo, fitandroana fihavanana, dinam- pokonolona, kaloiny eo koa ny kalon’ ny ela …,”

Manampy izany dia toy izao no fitakiana momba ny fampiasana ny teny malagasy “Izaho ve no diso” “ Tsy teny frantsay na anglisy na alemana , hoy Raobadia fa gasy.Rehefa mahay teny gasy ny ankizy mora aminy foana ny mianatra ny tenin’ny hafa”

Fa tsy diso anjara tamin’ny endri – panabeazana ireny ny fialam-boly maro samihafa mba hisarihana ny olona “ Ny asabotsy dia fialam- boly sy fanitaran- tsaina amin’ny alalan’ny sary mihetsika sy ny fampisehoana ambony lapihazo” "Avotry ny rafy ” lah 45 94

Hita amin’ izao fa mahasahana lafin-javatra maro ireo endri-panabeazana ireo mba hisarihana ny olona hiverina amin’ny maha malagasy azy ao anatin’izany ny fomba fisainana. Nezahina haverina ilay finoana nampiavaka ny Malagasy mba handaminana ny fiarahamonina. Voalohan- daharana tamin’ ireny ny FANAHY .

Ankoatra izany, teo ihany koa fampisehoana ny taozavatra vita malagasy, izay entina maneho amin’ny hafa fa manana ny mampalaza azy ny Malagasy ary mahavita zavatra tsara fa tsy voatery hiandry ny avy any ivelany. Nasongadina tamin’izany ny taozavatra vita avy ao Ambositra izany ireharehan’i Madagasikara tokoa. Tsy latsa-danja tamin’ireny koa ny zava-kanto malagasy isan-karazany. Ireny dia entina maneho amin’ny manodidina fa manana ny zava-kantony sy ny kolontsainy ny Malagasy, tsy mena mitaha amin’ny avy any ivelany ka tokony hotiavina. Fa ny tena zava-dehibe ary tsy azo adinoina dia ny teny malagasy izay fototra ny fiandrianan’i Madagasikara. Maneho ny maha izy azy eo anivon’izao tontolo izao. Araka ny voalazan’ i RANDRIAMAMONJY ( E) hoe: “ …Tena azo lazaina aza fa ny fananana literatiora amin’ny fitenin-drazana dia anisan’ny maha-firenena ny firenena iray.” 124 Ireny rehetra ireny dia maneho fa manana ny maha izy azy ny Malagasy ka tsy tokony hiantehitra amin’ny fandrosoana izay entin’ny vahiny izay efa hita fa manimba ny tontolo malagasy ao anatin’izany ny fomba fisainana. Azo ambara araka izany fa ezaka goavana no nataon’ireo sokajina mpandray anjara ireto mba hanoherana ny fanjanahan-tany, ka ny fitaizana ny mahaizy azy ny mpandray anjara no asongadiny ho voalohan-daharana amin’izany Fa ankoatra izany dia tsy adino ny fitaomana ny olona ho tia ny tanindrazany ka samy hahatsiaro izany ary hikarakara izany.

124 RANDRIAMAMONJY ( E) ; op cit tak 7 95

3.1.2.3- Fiezahana hamelo-maso ny eny Ambanivohitra Nampitodi-doha ny mpandray anjara ho any Ambanivohitra ny zava-nisy niainany fa teo ireo tsy rariny nataon’ireo sokajin’olona tonga teo amin’ny fitondrana. Teo ihany ireo karazam-pandrosoana maro izay nampisafotofoto ny fiainana hany ka nahatofoka. Te hisinda izany toe-javatra izany izy ireo ka dia nisafidy ny hiverina any Ambanivohitra. Ambanivohitra izay tanàna milamina, mangingina, ahitana ireo karazan-javatra maro samihafa toy ny tranon-drazana, tanimboly marobe sy ny maro hafa.

Io toerana io no antsoina hoe tanindrazana iavahan’ny tsirairay araka ny hita ao amin’ny RAKIBOLANA MALAGASY manao hoe: “Ny tanindrazana dia ilay tany niavian’ny razana ary ilevenany” 125 Maro ireo mpandray anjara no nirona tamin’ity firehan-kevitra iray ity na dia niara- dalana tamin’ny mpanjantany aza. Santionany amin’ireny ireto aseho manaraka ireto Toy izao no voalazan-dRamanda ao amin’ny “Izaho ve no diso ”

“ Rehefa ankatoky ny hijanona hisotro ronono aho dia nietritreritra izay hataoko. Zavatra anankiroa no tena nitana ny saiko ankoatra ny hafa madinidinika, ny anankiray dia ny “ hamelo maso” araka ny fomba fiteny mahazatra ilay tany l ovabenay ”

Anisan’ny tena nankasitrahan’ ny olona tokoa izany fihetsika izany na dia hita fa mpanaraka ambokiny ny hevitry mpampiasa azy (Frantsay) àry ingahy Ramanda. Noho izany fihetsika izany dia hita fa maro ireo olona nankasitraka azy tamin’ ity fiovan- kevitra ity nasehony ity. “ Marina ny an’ise Ramanda mitodika amin’ny tanidrazana sy mamelomaso azy (…) variana loatra any an- tanàn- dehibe any ny ankizy ka ariany ny ety ambanivohitra. Amin’ izay anefa tsy misy soa azony akory fa adalain’ny rendrarendran-javatra fotsiny izy” Tahaka izany koa no voizin’i Jaonary ao amin’ny “ Ny fahatezerany ” izay nahatsiaro ho tofoka tamin’ny fiainan’ny renivohitra sy ny fivoarany izay nentin’ny vahiny hany ka niova hevitra mba hisinda hiala ny renivohitra.

125 RAJEMISA ( R ), Rakibolana malagasy 96

Hoy Rajaonary amin’izany: “Izaho kosa te hisinda fa nahatsiaro ho vizana tamin’ny fomba fiainan’ny renivohitra.Efa nandairan’ny fahazavana isan- karazany loatra ny ankamaroan’ny mponina eto Antananarivo ka tsy afa- miala amin’ ireny intsony hoy ny eritreritro; ny any ambany vohitra kosa mbola olona vaovao ka hahafinaritra ny hifanerasera aminy ary eny no hanorotoroako ny zavatra tsara samihafa tokony ho fantany araka ny vanin’ andro ankehitriny”

Toy izany koa no nataon’i Mily ao amin’ ny “ Avotry ny rafy ”

“Ambohidoza no anaran’ ilay nalehako ,(…) anisan’ny toerana niasan’ny rahalahin’ i Dada ela izy io, ary misy trano lehibe sy trano madinidinika, tsy foiko hamidy ary mitovy hevitra amiko koa ry razoky ka dia nampanamboariko sy nohavaoziko”

Ho fehin’ izany dia hita fa liana tamin’ny fiverenana na fikarakarana ny eny ambanivohitra avokoa ireo mpandray anjara teto. Tsy ho vahavahana betsaka intsony ny anton’izany fa ny azo ambara dia ny fahatofohana ny toe-javatra niainana. Ao ny mihevitra fa izany fihetsika izany dia fitaomana ny olona hijery ny tanàna niaviany fa tsy ho voarebirebin’ny karazana rendrarendra izay entin’ny vahiny. Fampieritreretana ireo olona sasany variana amin’ny zava-nisy. Niezaka ihany koa ny mpanoratra mba hamerina ny hasina maha malagasy eo amin’ny lafiny rehetra. Voalohan-daharana amin’izany ny fikolokoloana ilay toe-tsaina malagasy sy ny fitehirizana ireo kolontsaina maro araka ny hita tetsy ambony.

Faharoa dia ny fikarakarana ilay toerana niaviana. Araka izany, na ilay tontolo tena malagasy izany na ilay tontolo ao anatin’ny tsirairay dia nanaovan’ny mpanoratra ezaka goavana tokoa ny hamerenana azy tamin’ny endriny taloha.

3.1.3-Ny fisaraham-bazana teo amin’ny mpandray anjara Lafin- javatra iray tena nisongadina ny fisaraham-bazana nandritra ity vanin- potoana ity. Saika nahitana ity tara-kevitra ity avokoa mantsy ny lafim- piainana rehetra na ara-piarahamonina na ara-teti-pitondrana na ara-toe-karena na ara-pisainana. Tsy azo odin-tsy hita araka izany ity toe- javatra ity ka dia indro abaribarin’ny tantara foronina malagasy. 97

Azo sokajiana ho roa 2 lehibe ny Malagasy tamin’ity vanim-potoana ity: ny sokajy voalohany dia ao ireo nametraka ny fiainany tamin’ny mpanjanaka na miankina tamin’ny vola sy ny voninahitra; ny sokajy faharoa kosa dia ireo niezaka nampiseho mandrakariva ny maha malagasy azy tamin’ny fomba fiaina. Ireo sokajy 2 ireo no ndeha hohalalinina manaraka etsy ambany ka asesy araka ny filaharany. 3.1.3.1- Ireo malagasy nanankina ny fiainany tamin’ny vola sy ny voninahitra: Anisan’ny toe-javatra nisongadina tao amin’ny tantara ny fiofon’ ireo mpandray anjara sasantsasany. Fiofona amin’ny lafiny maro izany saingy nisongadina tamin’ireny ny toe-tsaina sy ny fomba fihariana (toe- karena) Raha toe-tsaina mankamamy fihavanana sy firaisan-kina, miorina amin’ny fifanakalozana sy ny fifanampiana no nampalaza ny Malagasy dia tsy toy izany kosa no hita eto fa mifanohitra amin’ izany aza; toe-tsaina tsy mahalala afa-tsy ny tenany manokana no hita eto; toe-tsaina manandratra ambony ny vola aman-karena no hita miharihary. Tsy misy fitsinjovana ny hafa fa ny vola sy ny voninahitra no mibaiko ny olona. Anisan’ireny Ramanda ao amin’ny “Izaho ve no diso ”. Toy izao no azo hamintinana ny momba azy araka ny fitenin’i Solo “Tsy inona no betsaka tao aminao Ramanda fa ny fitiavan- tena, hay tsy te ho voaelingelina amin’ izay noheverinao ho fiadanana ianao hany ka nanakipianao maso rehefa nataonao fa mahatohintohina anao”.

Azo tsoahana avy amin’izany tenin’ny mpandray anjara izany fa dia tsy te hahalala izay fihavanana izany intsony ny olona fa rehefa miteraka olana ho azy dia ialany na inona na inona vokatr’izany. Tahaka ireny koa Rafetrarivo izay hitantsika ao amin’ny “Tamberintany” “Izao ihany no marina hoy izy, nalefaka sy nibanjina ny anabaviny: i Soalalao dia havan’i Dada ary izaho dia havan’i Neny. Ranjatomanana sy Ramanambaro kosa dia tsy anatin’ny fianakaviana mihitsy. Inon’Ingahy Rabeharana mivady izy? Tsy misy ankamantatra izany fa tsotra ny valiny :Tsy taovany tsy volovolony.”

98

Hita amin’izao fa tia tena Rafetrarivo hany ka lasa nanavakava-bolon-koditra. Mbola manamafy izany voalaza izany Rahaingo ao amin’ny “Avotry ny rafy ” “Nanandran- tena ho voro- mahery aho nony lasa goverinera madinika (…) E! Izany izaho lanjain’ny borizano mamakivaky ny tsena rehefa mingadona ny talata. Ny setro-tsigarako mipololotra, ny soroko mandihidihy (…) Izay fanajana an-dRasoherina nentin’ny voromahery “sové” tamin’ny palakina no tsy hitako.”

Hitantsika amin’izao ny fieboeboan’ny olona rehefa ananany ny vola sy ny voninahitra. Izany dia mampiseho amintsika fa tsy ny fihavanana intsony no voalohan-daharana eo amin’ny fiarahamonina fa ny fikatsahana ny vola sy ny voninahitra.

Teo amin’ny sehatry ny fampianarana ihany koa dia nisongadina ny elanelana teo amin’ny manam- bola sy ny tsy manana, ireo nanam-bola sady akaiky ny mpitondra dia afaka nampianatra ny zanany tany amin’ny sekoly misiona fa ny sarambabem- bahoaka kosa dia tsy maintsy niaritra ny fampianarana tany amin’ny sekolim- panjakana. Ohatra amin’izany no voalaza ao amin’ny “Izaho ve no diso” “He! Izany izy hoy Raobadia; Ianareo mahaloa ekolazy any amin’ny sekolin’ny Misiona dia mahazo fianarana hafa ny zanakareo. Izahay kosa tsy nahatakatra dia omena sombintsombim-pianarana eny amin’ ny sekolim-panjakana ny zanakay .” lah 10

Hita amin’izao fa endri- panabeazana roa samihafa no nomena ny zaza malagasy. Maro ireo mpandray anjara niezaka nanakaiky ny mpitondra mba hahazoana tombontsoa toy ny vola na voninahitra. Ohatra amin’ ireny Ramanda izay mpiasam- panjakana ka tsy nanohitra ny mpitondra azy noho ny vola sy ny voninahitra. Anisan’ireny koa Rahaingo izay nitady hevitra mba hahazoana vola ka ny nataony izay hahatongavana ho mpitondra madinika “goverinera”; ireny mantsy dia mahazo tombontsoa betsaka noho ny fahefany. Farany Rafetrarivo izay tia tena loatra, tsy te hizara izay ananany amin’ny fianakaviany. Izany rehetra izany dia toa taratry ny toe- tsaina nentin’ny mpitondra avokoa.

99

Tsy ny lehilahy ihany akory no nahitana fiovana toy izany fa na dia ny vehivany koa aza dia nandairan’ireny toe-tsaina sadasada ireny. Ohatra amin’izany i Nety izay nivoady fa tsy maintsy miadana sy manan-karena rehefa tonga ao amin’ny tokantranony, ka dia notanterahiny ny nofinofiny. Izany fihetsika izany anefa dia toa manohitra ny fiheverana malagasy hoe “ Ny tokantrano fihafiana”. Hamintinantsika izay dia ny tantaran’i Dasy no aravontsika fohy: I Dasy dia zanak’olona efa antitra ary noho ny ray aman-dreniny izay efa saika tsy nahazo taranaka dia nampihantaina loatra izy. Naroroka i Dasy ary niara-nitombo taminy koa ny hafetseny. Manampy izany, zaza novolavolain’ny fiainana andrenivohitra izy koa tsy nahagaga raha nilomano tao anatin’ ny fitiavam-bola loatra. Vokany, nanjaka tao aminy ny fitiavam-bola ary izay rehetra manodidina azy dia natakalony vola avokoa . Io fitiavam-bola io no fototry ny ratsy rehetra satria io no antony tsy nitsaboany ny reniny, nandevenany velona ny zandriny. Te higalabona samirery amin’ny harena izy ka dia nataony izay fomba rehetra hahatanteraka izany na tsy mifanaraka amin’ny toe- tsaina malagasy aza. Fa tsy teo amin’ny toe-tsaina ihany no nahitana izany fiovana izany fa eo ihany koa ny lafiny toe-karena. Niova nanaraka izany fomba fisainana voalaza etsy ambony izany ny fomba fiharian’ireo mpandray anjara sasany ireto. Tsy nieritreritra ny hiasa mafy intsony ny olona fa nampiasa hafetsena maro isan- karazany mba hanangonan-karena. Jereo ohatra Rafetrarivo izay nidongy ho azy ireny ny lova araka ny hita ao amin’ny “tamberintany” sy Ramanda ao amin’ny “Izaho ve nodiso” Toy izao nataon-dRamanda ao amin’ny “ Izaho ve nodiso” « Teo amin’ny fifanolanana momba ny fizarana ny vokatra. Ny hevitra natolotra dia ny fanateloana azy ka ny androtokony ahy tompon’ny tany ary ny ampahatelony azy namboly ny tany »

Tsy tanisaina intsony ny fanamparam-pahefana ataon’ireo tonga eo amin’ny fitondrana toa an-dry Rahaingo izay lasa goverinera. Ohatra iray fotsiny ity aseho eto ambany ity : «Tsy lainga tompokolahy malala fa ny tena marina. Iza irony mitaky hetra any ambanivohitra irony ka manerongerona sy mitratrevatreva ery, raha tsy toloran’ny fokonolona omby iray ? Iza irony manao an- keriny ny zazavavy tantsaha irony ka mampaka azy hoe : « hahandro ny sakafo ho an’ny lehibe ianareo?» 100

Hitantsika amin’ izao ohatra izao fa tsy te hisahirana ny olona amin’ny fihariana ka dia nampiasa ny tetika maro samihafa. Ny tetikadin’ireo vahiny mpanjanaka no nalaina tahaka teto ka nentin’ny nanambakany ny mpiray rà amin’ny tena. Ny hany azo andravonana izany dia izao: nanome lesona ratsy ireo mpitondra. Raha toa ka nivelona tamin’ny hatsembohan’ny tava ny tsirairay teo aloha dia niofo ho mpibaiko sy mpampisasa tany kosa izany eto. Ary noho izy tompony dia nandray ny ampahany betsaka amin’ny vokatra azo izy ireo. Raha aravona izay rehetra izay dia hita fa nandova fomba ratsy tamin’ny mpanjanaka ny Malagasy, izay toe-javatra izany no avoitran’ny mpandray anjara tamin’ ity vanim-potoana ity. Toe-tsaina tsy tia mandray andraikitra fa miolonolona, tia tena ary tia vola. Maro ireo nanaraka izany mba tsy ahitana fahasahiranana amin’ny fiainana. Rehefa manaraka ny fomba vazaha tokoa mantsy dia tsy mahita olana firy eo amin’ny fiarahamonina. Fa mba nanao ahoana kosa ireo mpandray anjara nijoro tamin’ny mahaizy azy?

3.1.3.2- Ireo Malagasy nijoro tamin’ny mahamalagasy azy Na dia maro aza ireo olona niova nanaraka ny fomban-bazaha dia nisy ihany kosa ny nijoro hampiseho hatrany ny mahamalagasy azy; na teo amin’ny fihetsika ivelany izany na teo amin’ny foto- kevitra hitondrana ny fiainana. Ireto antokon’ olona ireto araka izany dia nanohitra ireo antokon’ olona voalaza etsy ambony. Anisan’ny nisongadina tamin’ireny i Solo ao amin’ny “Izaho ve no diso”; i Jaonary “Ny fahatezerany ”ary Ravalo”Avotry ny rafy ”. Raha ny vehivavy kosa no resahina dia fitaratra amin’izany i Soalalao ao amin’ny “Tamberintany ”. Toy izao no teniny: “ Izaho kosa aloha; hoy ihany izy( Rasoalalao) nanifikifika ny lohany, dia tsy mba nanana izany hevitra mandringa izany .Anadahiko avokoa ianareo telo mirahalahy ary fifaliako izany”

Toy izao ohatra no hita teo amin’ny foto- kevitry Solo ao amin’ny “Izaho ve no diso” “ Angamba noho ny fahasamihafan’ny zava- kendrena no tsy itovian’ny fomba fijery(…) Ny ahy ny mpiara- belona amiko rehetra no ataoko indray mijery ka hitondrako ny fiainako, ny anao mifaritra eo amin’ny fiainanao fotsiny”

101

Hita taratra amin’ny izany ny fifanoherana misy teo amin’ ireo mpandray anjara ireo, izay samy manana ny fomba fitondrany ny fiainana. Ramanda izay mpanaraka ambokiny ny fivoarana sy ny hevitry ny mpitondra dia nifanohitra tamin’i Solo izay nanampy ireto mpiray rà aminy sy nitolona ho fanavotana ny firenena. Teo amin’ny fomba fisainana no nahitana ny fisarahana hany ka niitatra teo amin’ny fiaim- piaininana iray manontolo izany. I Solo dia mivelatra eo amin’ny fomba fisainany hany ka tsy nijery izay tombontsoany samirery fa nanokana ny fiainany ho hanatsarana ny mpiray rà aminy Hoy izy raha nilaza ny foto-keviny “ Ny hanao dokotera na avokà no tiako kanefa injienera no ilain’ny firenena rahatrizay tonga ny fahaleovantenany ”p 15 Fa tsy teo amin’ny fomba fisainana ihany no nahitana izany fifanoherana izany fa teo amin’ny fihetsika ihany koa. Raha toa ka fanaovana izay tadiavin’ny vahiny no ataon’ireo mpankato azy dia indro mifanohitra amin’izany kosa no asehon’ny ankilany eto. Mijoro am-pahendrena mba hitaky ny fahaleovantenam-pirenena izay zavatra tsy ankatoavin’ny mpanjanaka indrindra. Toy izao no no hita ao amin’ny “ Izaho ve no diso”: “ Tsy nangalatra na namono olona izy (Solo) fa voaheloka ho mpikomy noho ny fitiavan- tanindrazana”

Fa tahaka izany koa ny fahasahian-dRavalo teo anatrehan’ny mpiaramonina taminy, niezaka izy mba hitaky ny fiandrianam-pireneny. “Tsy hanosika anareo vazaha anie akory tompokolahy no tarigetranay (…) ny takianay dia ny zo aman-tsatanay norombahinareo teo am-pelatanan- dRANAVALONA fahatelo. “Avotry ny rafy ”p 11

Fa tsy ireo ihany no nisahana izany asa goavana izany fa maro izy ireo. Saika nahitana ireo avokoa ny tantara rehetra. Ny “Tantaran- dRakoto” izao mampiseho ny an- dRakoto izay nanao sorona ny fiainany manontolo mba hahazoan’i Madagasikara fahaleovantena. Niaritra ny mafy sy ny tsy rariny izy mba hahasoa ny fireneny.

102

Toy izao no santionany amin’izany: “Tsy nanaovany (Rakoto) ala safay na robo-dranon- dRamiangaly ny asa natao hahatratrarana izany tarigetra izany fa na ny ainy aza saika nafoiny ary tao koa ny vono sy ny fampijaliana ara-nofo, ara- tsaina…Toa tsy tsaroana anefa ireny rehetra ireny satria miredareda tao anaty ny finoana sy fanantenana fa ny voa nafafy tsy maintsy nitera- bokatsoa .

Fa mbola anisan’ireny ihany koa i Jaonary ao amin’ny “Ny fahatezerany ”. Ny azy kosa dia ny fanampiana sy ny fitsinjovana ireo tena sahirana no nimasoany, anisan’izany ny nandraisany an’i Pendo.izay zazavavy kely tsy misy mpiahy. “ Nifanontaniana koa ny hanaovana ilay zazavavikely , nefa niolonolona be ihany izay noheverina handray azy .Tonga tamiko ny fanontaniana ary tsy nisalasala aho nandray azy”.

Izany fihetsika rehetra izany dia mampiseho ilay foto-pisainana malagasy dia ny fanampiana ny hafa. Izany zavatra izany dia mbola endrika isehoan’ny fihavanana malagasy. Mahatsapa mantsy ireo antokona olona ireo fa havana ny mpiara-monina ka mendrika hampiana raha tojo fahasahiranana. Araka izany, teto dia mbola nanjaka ilay ohabolan’ny Ntaolo manao hoe: “Aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana”. Izany hoe: ambony noho ny vola ny fihavanana ka dia nindrahindraina tamin’ny alalan’ny fitsinjovana ireo namana izay. Manaporofo izany ny fiezahan’ireo mpandray anjara ireo hitolona ho amin’ny fahaleovantenan’ny firenena. Fitiavana lehibe no nasehony tamin’ izany, satria fitiavan-tanidrazana ary fitiavana ny mpiara-belona amin’ny tena. Izany no ilazanay fa ireto antokona olona ireto dia niezaka mandrakariva hijoro amin’ny mahamalagasy azy na dia niharan’ny fampijaliana maro isan-karazany aza. Fehiny, tsapa fa toa nizara 2 tanteraka ny fiarahamonina teto, tao mantsy ireo nahazo tombontsoa manokana noho ny fialokalofana amin’ny mpanjanatany ka tsy te hahalala intsony ny manodidina azy; nikaroka fomba manokana hitombon’ny tombotsoany. Nanary izay maha izy azy fa nanindrahindra kosa izay rehetra natolotra azy na ratsy izany na tsara. Tetsy ankilan’izay, nisy ihany ireo tsy te ho baikona intsony ka niaritra ny herisetra mba hahazoana fahaleovantena. 103

Nanao ezaka goavana hitandro ny mahaizy azy. Tsapa araka izany fa samy nitady hevitra ny olona hialana tamin’ny fanjanahantany ka ny nitoviany dia ny tsy fijanonana intsony ho andevo eo ambany fiahian’ny mpanjanaka. Samy nanana izay fomba heveriny hahatonga izany hany ka hevitra roa nifanipaka no tazana. Izany no niteraka ny fivakisan’ny Malagasy. Inona kosa anefa no vokatr’ izany fifandroritana izany?

3.2- Vanim-potoana fahaleovantena Maro ireo lafin-javatra azo resahina raha momba ny vanim-potoana fahaleovantena saingy ireo hita nisongadina sy ny niraisan’ireo tantara no ndeha hovahavahana dia ny fahadisoam-panantenana.

3.2.1- Fahadisoam-panantenana Rehefa nikely aina fatratra ireo antokon’olona nijoro tamin’ny maha malagasy azy tamin’ny fitolomana ho amin’ny fahaleovantena dia nahazo vokatra tokoa. Anisan’ny nivaingana tamin’izany ny fahazoana fahaleovan-tena.

Toy izao hita ao amin’ny “Ny tantaran-dRakoto ” “ Nihoby ny vahoaka fa tonga ny fahaleovantena ” Araka izao dia hita fa hafaliana no nandraisan’ny vahoaka ny fahaleovantena saingy rehefa tena halalinina dia hita fa toa hafaliana nandalo ihany izany. Fahadisoam- panatenana goavana no nentin’izany fahaleovantena izany araka ny hita ao amin’ny tantara. Niseho tamin’ny lafim-piainana maro izany fahadisoam-panatenana izany toy ny teo amin’ny fiainana andavanandro, ny fitiavana, ny fitondrana

3.2.1.1- Fahadisoam-panantenana manoloana ny mpiara-belona Maro ireo mpandray anjara diso fanantenana tamin’ny tolona nataony fa anisan’ny tena nahitana ny fahadisoam-panantenana tanteraka dia Rakoto. Diso fanantenana Rakoto fa ireo havana (mpiara- belona) heverina fa hanampy amin’izao zava-manjo azy dia toa nialangalana.

104

Toy izao ambarany amin’izany: “…Saingy toa tsy mba nihatra mivantana teo amin’ny fiainana ny fahatanterahana izany. Fa mba nanantena kosa ho afaka hanohy ny asa amin-kalalahana hamboatra ny ho avin’ny zanaka amam-para, na tsy ho an’ny tena aza kanefa ankehitriny” maizina ary ny ho avy koa mikitroka” “Ny tantaran-dRakoto ”

Toy izao no azo amintinana ny tantaran-dRakoto “Raha bangoina, tapi-dalan-kaleha toy ny sokina nanani-bato aho”

Toy izao no nanjo an’i Jaonary :

“ Diso ny fanantenako, hoy aho, sendra zavatra tsy nohevereriko aho ka tafiditra tamin’ny fahasahiranana lalina” “Ny fahatezerany ”

Izany dia mampiseho amintsika fa toa irery ireo mpandray anjara manoloana ny fahoriany. Toa tsy misy azo itarainana ireo mpiara-belona teto fa samy mihalangalana avokoa. Toa samy sahirana avokoa, izay aleha ka tsy misy mifampitsinjo sy mifanampy intsony. Izay idodododoana mandrindrina varavarana avokoa, hany heriny dia ny famoizam-po. Fa tsy teo amin’ny zava-nisy andavanandro ihany no nahitana ny fahadisoam-panantenana fa hatramin’ny fitiavana aza dia toa niofo koa. Tsy tazana intsony ilay tena fitiavana fa fitia mila tambiny avokoa no hita hany ka betsaka ireo diso fanantenana. Anisan’ireny koa i Mily izay diso fanantenana tamin’ny namany, eny diso fanantenana tamin’ny vadiny indrindra ihany koa izy. Toy izao no anehoany izany: “Tapako sy namako ianareo ka tsy misalasala hilaza izay ato an- tsaiko . Zavatra tena tsy nampoiziko tokoa izao ary tena kapoka mafy mianjera amiko(…) vady tiako ,sakaiza mamiko, olona nomeko ny fitokisako no indray voatery hafoiko Fitiavana : fantatrao tsara ny fitiavako anao fa na ny volana aza raha azoko natao nafoiko ho kilalaonao kanjo hay … ianao ka … “Avotry ny rafy ”

Na teo amin’ny resaka fitiavana izay heverintsika fa tsy misy ifandraisany amin’ny lohahevitra aza dia nahitana izany fahadisoam-panatenana izany. Noho ny fiovan’ny toe-tsaina mantsy dia lasa nirona nankany amin’ny fitiavam-bola ny olona ka tsy mihevitra intsony izay marimaritra iraisana. 105

Izany fiovana izany dia niteraka fahadisoam-panatenana teo amin’ny olona hafa satria rehefa mahita izay tsaratsara izy dia ilaozany ny hafa. Anisan’izany koa i Jaonary raha teo amin’ny lafiny fitiavana no resahina. “Lehibe tokoa ny fanantenako napetrako taminy. Efa nanonofy zavatra maro samihafa ho an’ny fiainanay ho avy aho fa natoky hahasetra ny mafy noho ny fitia mifamaly (...). Kanefa hay dia nofitahiny fotsiny… nataony karazan’ny filan-tsy mahita fotsiny aho.”

Izany rehetra izany dia maneho amintsika fa saika ny ankabeazan’ny olona dia niharan’ny fahadisoam-panantenana avokoa.

3.2.1.2- Fahadiasoam-panantenana manoloana ny fanjakana Fahadisoam-panantenana tanteraka no azo ilazana ny fiainan’ny olona raha teo amin’ny fifandraisana tamin’ny fanjakana no ambara. Tsapa mantsy fa tsy ireo mpiara- belona amin’ny mpandray anjara ihany akory no nihalangalana fa anisan’ireny koa ny fanjakana izay noheverina fa ray aman-dreny azo italahoana. Tsy vitan’izany fa ny anton’ny fahoriana dia ny fikatsahana ny hahasoa io fanjakana io. Tsy araka ny neritreretina anefa ny vokatra azo, miala andraikitra ary toa tsy te hahalala akory izay manjo ny vahoakany io fanjakana io. Anisan’ny mbola niaritra izany Rakoto izay nanao sorona ny aina mba ho fitiavana ny Tanindrazana .

“ Ankehitriny anefa, nony tonga izay niriana, nony tonga soa izany fahaleovantena izany, ny tena kosa boribory tsy afa- nankaiza, ary trotraky ny fitondrana tany am-ponja rahateo” “Ny tantaran- dRakoto ”

Na dia asa fanompoana lehibe tokoa aza no nataony ho an’ny mpiara-belona aminy dia tsy nisy kosa ny setrin’izany. Niezaka ihany izy mba hitady vahaolana na tamin’ireo namana na tamin’ny fanjakana saingy nandamoka avokoa izay naleha. Ao anatin’ny fotoana izay tokony hamirapiratan’ny ho avy indrindra anefa no toa tsy misy azo antenaina, hany heriny dia namoy fo izy. Izany rehetra izany dia ahafahana milaza fa niaina tamin’ny alahelo sy fahoriana ny ankamaroan’ny mpandray anjara teto. Rava ilay fihavanana malagasy. Ireo noheverina fa havana mantsy dia nihalangalana, tsy nahatsiaro tena ho tompon’andraikitra amin’ny fahasahiranana mahazo ireo nitolona ho amin’ny fahaleovantenam-pirenena. 106

Toa tsy nisy fiheverana na dia kely akory aza izay hitsinjovana ireny olona ireny fa toa samy nieritreritra ny fiainany ny hoaviny ny olon- drehetra. Hamintinana izany dia indramintsika ilay tenin- dRakoto ao amin’ny tf4:

“ Fa ankehitriny afaka avy tany am- ponja izahay ary tonga ny fahaleovantena, kanefa inona no tsinjovina fa havoakan’ ny ampitso.TSY MISY ”t “Ny tantaran- dRakoto

Tetsy ankilan’ izany, tsy ireo mpitolona ihany akory no diso fanatenana teo amin’ny fiarahamonina fa anisan’ ireny koa ireo mpiara –dalana tamin’ny mpanjanaka Toy izao no nanjo an- dRahaingo: “ Ny fahadisoam-panantenana leoko ihany fa ny “nenina” niara-dalana taminy (mpanjanaka) no nanempotra ahy ” “Avotry ny rafy ”

Anisan’ireny ihany koa Ramanda izay rava tokantrano noho ny tsy fitoviam-pijery eo amin’ny fiainana: “Izaho sy ilay mpikarama nalain-dRabako sisa tao an- trano ” “Izaho ve no diso”

Izao toe-javatra izao dia ahafantsika maminany fa misy fetra ihany ny fiarahana amin’ny vahiny. Tsy maintsy misy farany izay atao ary misy valiny ihany koa .

107

FAMINTINANA NY FIZARANA FAHAROA

Raha fehezina izay voalaza tato amin’ny fizarana faharoa dia niompana tamin’ny fandinihana ny tantara foronina. Tsapa tao anatin’izany fa mizara roa mazava tsara ny tantara dia ny endrika ivelany sy ny vontoatiny. Ndeha hofintinina etsy ambany ny mombamomba izany Raha ny momba ny endrika ivelany no resahina dia azo aravona ho roa lehibe ny zavatra novoaboasana teo, voalohan-daharana tamin’ireny ny fanehoana ny hababa sy ny fotoana ary ireo mpandray anjara namelona ny tantara. Tamin’ny famakafakana natao no nahitana fa voasaina avokoa ireny fa tsy tonga ho azy ; koa raha te handalina ny vontoatin’ny tantara isika dia tetika ahazoa-mitaratra sahady ny zava-boasan’ny mpanoratra ny habaka misy ny tantara, ny fotoana isehoany ary ireo mpandray anjara mamolavola azy. Manampy izany, ao ny fahaizan’ny mpanoratra maneho ny heviny amin’ny fomba kanto. Amin’ny mahazava-kanto ny tantara foronina tokoa mantsy dia miezaka ny mpanoratra haneho ny firafitry ny tantara amin’ny fomba miavaka ary ahatarafana hevitra. Hita amin’ireny tantara ireny ohatra ny fanomezan-danja ny teny malagasy; hita ao koa anefa ny fampidirana teny frantsay sy ny voambolana kristianina. Ireny rehetra ireny dia notovanany fomba filazan-javatra mihataka amin’ny andavanandro. Teo amin’ny fanadihadiana ny tontolon’ny hevitra kosa indray no nojerena tao amin’ny toko lehibe faharoa. Tsapa tao anatin’izay fa misy tarakevitra lehibe iraisan’ny mpanoratra ao amin’ny tantara. Voalohan-daharana tamin’ireny ny fampisehoana ny herim-pamoretana teo anivon’ny fiarahamonina. Nanaitra ny hambom-pon’ireo sokajin’olona sasany izany ka dia teraka ny fitiavan-Tanindrazana. Na izany aza, noho ny fidiran’ny kolontsaina vahiny dia tsapa ho nizara roa tanteraka ny fisainan’ny vahoaka, eny ny fiarahamonina mihitsy aza. Samy nanana ny tanjona nokendreny ireo sokajy ireo kanefa izany dia niafara hatrany tamin’ny fahadisoam-panantenana. Toy izay ny azo ambara raha teo amin’ny vontoatin’ny tantara. Tsy mijanona eo ny fikarohana fa ny tena olana eto dia ny hoe: Inona no nahatonga ireny rehetra ireny?

108

:

109

Ny fifandraisan’ny tontolo noforonina sy ny tontolo tena nisy no havoitra amin’ izao fizarana fahatelo sady farany izao. Dingana roa lehibe no tsy maintsy nolalovana vao tonga amin’ izao fampifandraisana izao; andaniny, teo ny famakafakana ny tontolon’ny gazety izay nakana ny tantara sy ny fiarahamonina namolavola io gazety io. Ankilany, novoaboasana ihany koa ny momba ny tantara foronina sy ny firafiny. Na fizarana roa lehibe samy manana ny azy aza izy ireo dia tsapa fa mifandray tanteraka. Ny momba izany indrindra no hoporofoina manaraka eto. Dingana roa lehibe no hoentina manatanteraka izany: voalohany ny fampifandraisana ny endrika ivelan’ny tantara amin’ny zava-misy, faharoa, ny fifandraisan’ny vontoatin’ny tantara amin’ny zava-misy teo anivon’ny fiarahamonina.

I- NY ENDRIKA IVELAN’ NY TANTARA SY NY ZAVA-NISY Ny tantara foronina na dia noforonina dia tsy maintsy miainga avy amin’ny zava- misy eo fiarahamonina.Ny fanaporofoana izany indrindra no ndeha idirantsika manaraka. 1.1-Andram-panazavana momba ireo singa mandrafitra ny tantara Singa telo lehibe, araka ny hita tery amin’ny fizarana faharoa no mandrafitra ny tantara foronina, ireto avy izany: Ny toerana itrangan’ny tantara, ny fotoana na vani- potoana isehoan’ny tantara ary ny mpandray anjara. Tsy tonga ho azy ny fisadianana azy ireny fa misy antony avokoa. Ny momba izany indrindra no andeha hojerentsika manaraka eto ambany.

1.1.1-Andram-panazavana momba ny toerana

Maro ireo toerana tantaraina ao amin’ny tantara foronina ary samy manana ny fomba fanehoany azy ny mpanoratra tsirairay. Maro araka izany koa ny zavatra azo ambara eto kanefa tsy hovahavahana eto avokoa izany fa izay heverinay fa mifandray mivantana amin’ny zava-nisy ara-tantara no ndeha ifotorana. Antony roa lehibe no heverinay fa mahatonga ireny toerana ireny ho hita taratra ao amin’ny tantara foronina: Voalohany dia ny antony izay mifandray amin’ny tantara, faharoa dia ny antony mifandray amin’ny gazety Imongo Vaovao.

110

1.1.1.1-Antony mifandray amin’ny tantara

Andaniny, tsapa tao anatin’ny fanadihadiana ireo tantara ireo ny fisafidianana an’Antananarivo ho ivon’ izao tontolo izao. Tsy tonga tonga ho azy anefa ny fisafidianana ny toerana tahaka izao fa misy antony tokoa. Hoy indrindra i Francois MAURIAC raha naneho izany: apetraky ny mpanoratra amin’ny toerana tena nisy ny tantara izay novolavolainy avy amin’ny toerana hitany na fantany. 126 Raha ny antony ara-tantara no jerena dia hita fa Antananarivo no renivohitr’ i Madagasikara izay azo antoka fa ahitana ny endri-pivoarana rehetra. Naorina amina toerana azo antoka araka izany ny tantara satria ao no azo itarafana ny lafim-piainana maro toy ny fitondrana , ny toe-karena ary ny ara- piarahamonina sy ny kolontsaina. Anisan’ny misongadina tamin’ireny ny fidiran’ny Frantsay izay nanjanaka antsika ka tamin’izany dia Antananarivo no nofeheziny voalohany. Rehefa izany dia teto ireo mpitondra frantsay no nonina sy nipetraka ; teto rahateo no ivon’i Madagasikara ka hita teto avokoa ny zava-drehetra. Teto avokoa araka izany no nataony toerana filasiana ka saika nafantoka teto izay heverina fa ilaina amin’ny fampandehanana ny raharaha, ohatra amin’izany ny varotra isan-karazany, ohatra ihany koa ny fitsarana (Andafiavaratra). Teto araka izany no toerana tena nonenan’ireo mpitondra tamin’ny fanjanahantany.

Manaraka izany, Antananarivo no niantefan’ ny safidin’ny mpanoratra satria izy no mahafeno ny fepetra ilain’ny tantara, izany hoe, ahafahana maneho toe-javatra isan- karazany. Teo amin’ny lafiny toe-karena ohatra dia anisan’ny toerana niroboroboan’ny varotra teto ary toerana ifamezivezen’ny entana miditra sy mivoaka.

Farany, raha mahakasika ny lafiny ara-piarahamonina dia hita fa teto no nitarafana ny fahasahiranan’ny vahoaka sy ny fitobaky ny kolontsaina vahiny.

126 Francois MAURIAC, op cit, « le romacier choisit de situer action et personnages dans un espace réel ou à l’image de la réalité » p 89 111

1.1.1.2-Antony mifandray amin’ny gazety Imongo vaovao

Ankilany, eo ihany koa ny antony izay mifandray amin’ny gazety Imongo Vaovao, voalohany indrindra, Ny foiben’ny gazety Imongo Vaovao dia teto Antananarivo 127 ; ireo mpikambana tao ihany koa dia saika nonina teo avokoa; izy ireo ihany koa anefa no mikirakira ny pejin’ny literatiora. Noho izany, tsy mahagaga raha toa ka ny zava- nisy teto Antananarivo no voaresaka matetika ao amin’ny tantara. Santionany amin’izany ny fomba nitondrana ireo mpitolona tamin’ny 1947 sy ny sazy mifanandrify amin’izany; eo ihany koa ohatra ny fiveloman’ny olona sasany teto dia ny fivarotany lamba. Mazava ho azy araka izany fa tsy afaka maminavina toe-javatra any amin’ny toerana tsy fantany ny mpanoratra fa tsy maintsy ny toerana hitany na niainany hatrany no asehony ao amin’ny asasorany.

Faharoa manaraka izany dia tsikaritra ihany fa nisy fironan-tsaina iray nisongadina tamin’ny fomba fanehoan’ny mpanoratra ny toerana. Raha fintinina dia azo ambara hoe: fialana amin’ny toerana andrenivohitra mankany amin’ny toerana ambanivohitra.

Fa inona tokoa moa no mahatonga izany raha ampifandraisina amin’ny tantara? Tsy mandeha ho azy ireny fa misy antony tokoa araka ny fiheveranay, misy ifandraisany amin’ny zava-nisy ara-tantara io firehan-kevitra io ka azo fintinina toy izao: navesatra ny rivotra niainana teto an-drenivohitra noho ny fanaparam-pahefana nataon’ireo mpanjanatany. Izay rehetra natao mantsy dia tsy maintsy ampifanarahana amin’ny tian’ny mpitondra fa raha tsy izany dia iharan’ny habibiana sy fampijaliana maro isan-karazany. Niseho avokoa araka izany ny toetra ratsin’ireo mpitondra hany ka nahatonga saina ny Malagasy. Te hiala amin’izany fangejana izany ny ankabeazan’ny olona ka dia nitaky ny fahaleovan-tena tsotra izao.

127 Imongo vaovao : lot II K 4 bis- Andravoahangy ambony 112

Fa nisy ihany koa ireo nitodi-doha tany amin’ny toerana fiaviany ary izany fihetsika izany dia efa endriky ny fitiavan-tanindrazana tao amin’ireo antokon’olona sasany. Ary ny fampisehoana ireny dia karazana fanentanana ny antokon’olona sasany mba hiverina an-tanindrazana.

Mifandray mivantana amin’ny tarigetran’ny gazety Imongo Vaovao io firehan- kevitra io dia ny hoe: “Fahaleovantena – Tany – Fiadanana – Fandriampahalemana - Fivondronana ”. Raha hazavaina misimisy kokoa izany dia izao no azo ambara: filamatra nentin’ny gazety Imongo Vaovao ny hoe “ Tany” izany hoe; tokony hifototra amin’ny taniny ny Malagasy raha te hivoatra, noho izany, tokony halaina ireo tany nalain’ny vahiny mpanjanaka ary tokony hifototra amin’ny famolahana izany tany izany isika Malagasy satria samy manana ny tanindrazany avy. Io fomba fanehoana ny toerana io araka izany dia mifono hevitra toy izao: Mankaleo ny fitondram-panjanahantany teto Antananarivo koa andeha hiverina any ambanivohitra isika. Any mantsy no misy fiarahamonina mbola tsy misy rahoraho firy sady misy ireo tany navelan’ny razana, azo ivelomana tsara. Ity firehan-kevitra ity araka izany dia manome vahana ny Malagasay mba hifototra amin’ny zava-misy ao aminy fa tsy hiantehitra amin’ny hafa. Raha fehezina izay rehetra voalaza izay dia hita fa na dia mpanoratra samihafa aza no namolavola ny tantara, ireto tantara ireto dia hita fa nisy ny marimaritra iraisana teo amin’ny fomba fanehoana ny toerana. Anisan’izany ny fisafidianana an’Antananarivo ho ivon’izao tontolo izao noho izy azo itarafana ny lafim-piainana maro sady fantatry ny mpanoratra. Tsikaritra ihany koa fa napetraky ny mpanoratra tamin’ny toerana voafaritra ara-goegrafia ny tantara mba hahalalan’ny taranaka aty aoriana ny endri-piarahamonina nisy tamin’ny vanim-potoana iray araka ny voalazan’ny mpandinika iray manao hoe “ny literatiora dia sarin’ ny fiainana ka ny fiainana andavanandro no asehony” 128 . “Tsapa tokoa fa tsy misy tantara voaforoko ao an- tsaiko raha tsy apetrako amin’ny toerana efa niainako”.129

128 WALLEK & WARREN, op cit « la littérature répresente la vie » p 129 129 François MAURIAC op cit « Aucun drame ne peut commencer de vivre dans mon esprit si je ne le situe dans les lieux où j’ai toujours vécu » p86 113

Ny fisian’ ny marimaritra iraisana teo amin’ny fomba fanolorana ny toerana dia ahatarafana ilay firaisan-tsainan’ny mpanoratra malagasy tamin’ny vanim-potoana izay voakasiky ny fanadihadiana eto. Izany rehetra izany dia manaporofo fa tsy rediredy araka ny fiheveran’ny sasany azy ny literatiora fa endri-piarahamonina iray mivaingana manaporofo ny tantara ary mendrika hivela ho an’ny taranaka. Izay ny momba ny toerana sy ny zava-nisy ara-tantara fa andeha hiampita amin’ny fampifandraisana ny fotoana sy ny zava- isy indray isika.

1.1.2- Andram- panazavana momba ny fotoana

Na dia voalaza aza fa tantara noforonina ny tantara foronina dia tsy maintsy miompana amin’ny zavatra nisy sy marina izy 130 . Tsy mandeha ho azy anefa izany fa miankina betsaka amin’ny fotoana izay tantaraina.Koa “ny fisian’ny fotoana ao amin’ny tantara dia anisan’ny maha mari- pototra ny toe- javatra tantaraina”.131 Izany indrindra no antony nandinihana ny fotoana izay tantaraina ao amin’ny tantara; manampy avy hatrany amin’ny famoaboasana ny lohahevitra voiziny ao amin’ny tantara ireny fotoana ireny koa andeha hojerentsika izay fifandraisana apetrany. Raha ny fotoana tantaraina ao amin’ny tantara no fintinina dia azo fehezina ho vanim- potoana roa lehibe : 1938- 1960 / 1960 – 1972. Ny daty nivoahan’ny tantara indray kosa dia teo anelanelan’ny taona 1956 – 1972. Eto àry dia mipetraka ny fanontaniana lehibe manao hoe : Fa nahoana no ireo vanim-potoana ireo no hita taratra sy nisongadina tao amin’ny tantara foronina malagasy? Antony roa lehibe no heverina fa mahatonga izany: voalohany dia ny antony mifandray mivantana amin’ny tantara ary ny faharoa dia ny antony avy amin’ny gazety Imongo Vaovao. Ndeha àry hovahavahana tsirairay ireo

130 ANDRIAMALALA (E D), Aingam- pivoarana, lah 6 tak 4 131 -HA. RAMANGAHARINORO, Ny anjara toeran’ny vehivavy araka ny hita ao amin’ny tantara foronina Fahavaratra sy Zanako nosoratan’i Clarisse RATSIFANDRIHAMANANA mémoire de CAPEN, Antananarivo2005, tak 47 114

1.1.2.1-Antony mifandray amin’ny tantara

Andaniny, azo ambara fa vanim-potoana nametraka tantara teo amin’ny firenena malagasy ireo vanim-potoana voatantara ao amin’ny tantara foronina ireo. Ny vanim- potoana voalohany dia vanim-potoana nampamaivay ny tolona ho fialan’i Madagasikara eo ambany gejan’ny Frantsay. Anisan’ny voalohan-daharana tamin’ireny ny anjara asan’ny MDRM izay niforona tamin’ny 1946 132 …ka nanao hetsika tamin’ny taona 1947.. Ny vanim-potoana faharoa dia tsy latsa-danja amin’io vanim-potoana voalohany io, rehefa nanao sorona ny tenany ireo tia tanindrazana malagasy anisan’ireny Ravoahangy, Raseta 133 … ary niampy ny tosika avy amin’ny firenen-tsamihafa dia voatery nandray fanapahan-kevitra ny Frantsay mba hamotsotra an’i Madagasikara tsy ho zanatany intsony. Vokatr’izany dia nijoro ny repoblika voalohany izay notarihin’i TSIRANANA Philbert. Araka izany, daty malaza ny hoe 1947, sy ny hoe 1960; koa raha vao miteny daty na vanim-potoana isika dia misy hevitra tonga ao an-tsaina avy hatrany. Ireo zava-nisy lehibe ireo anefa dia nandalo fotoana lava izay vao tonga teo amin’ny fanapahan-kevitra iray. Namela tantara tsy maty ao an-tsain’ny Malagasy ireo vanim-potoana ireo ka indro raketin’ny mpanoratra ao anatin’ny literatioran’ny fireneny. Tsy mahagaga araka izany raha toa saika nirona tamin’ireo vanim-potoana ireo avokoa ny mpanoratra teto. Manamarina izany ny voalazan’ny mpanoratra iray manao hoe: “ Ny literatiora dia manjary fitaratra azo itarafana ny haren-tsaina amam-pahendrena izay mazàna miara- dalana na mifandray na mifaningotra amin’ izay zava-niseho eo amin’ny tantaran’ilay firenena” 134 .

132 BOITEAU (P) , op cit, « Ainsi il (MDRM)est fondé en février 1946 le « Mouvement démocratique de la rénovation malgache » (MDRM) qui va jouer un rôle considérable.p 364 133 Ibid « Ravoahangy et Raseta se présentent sous l’ étiquette de « restauration de l’ indépendance malgache » » p359 134 RANDRIAMAMONJY ( E ) Rary kanto , 1995 tak 7 115

Mbola manamafy izany ny voalazan-dRAJOELISOLO manao hoe: Ny literatiora dia dia vokatry ny zava-misy fa tsy tongatonga ho azy” 135 .

Vanim-potoana lehibe eo amin’ny tantaran’ny firenena malagasy araka izany ireo, noho izany dia tsy nandalo fotsiny teo an-tsofin’ny mpanoratra fa noraiketiny ao anatin’ny boky volamenany dia ny literatioran’ny fireneny izany.

1.1.2.2- Antony mifandray amin’ny gazety Imongo vaovao

Ankilany, Misy ihany koa ny antony izay mifandray mivantana amin’ny gazety Imongo Vaovao. Voalohany indrindra, ny gazety Imongo Vaovao dia nipoitra tamin’ny taona 1955; ireo mpanoratra tantara dia saika tompon’andraikitra ao amin’ny gazety. Raha halalinina izany dia izao no azo ambara: nandia na nahita ny zava-nisy marina tamin’ny taona maromaro talohan’ny nivoahan’ny gazety ireo tompon’ andraikitra na mpanoratra ny tantara ireo . Ny fahitany izany zava-nisy izany araka ny fiheveranay no nahatonga azy ireo haneho ny tantara izay mifandraika amin’ny zava- nisy hitany ho ao amin’ ny gazety Imongo Vaovao. Tsy inona ireo zava-nisy ireo fa ny tolona lehibe tamin’ny fanafahana an’i Madagasikara teo ambany gejan’ny Frantsay. Anisan’ireny i Jean RALAIMONGO izay loharano nanovozana ny anaran’ny gazety, nanampy izany ry Ravoahangy sy Raseta izay hitantsika tao amin’ny MDRM tamin’ny tolona 1947. Tsy nahagaga raha toa ka io vanim-potoana akaiky indrindra io no nosafidiny aseho satria io no niainany na hitany ka fantany kokoa. Ireo tompon’andraikitra sasany rahateo dia nandray anjara betsaka tamin’ny raharaha politika teto Madagasikara tamin’izany vanim-potoana izany; anisan’ireny i Arsène RATSIFEHERA, izay andry iankinan’ny literatiora tao amin’ny gazety Imongo Vaovao.

135 RAJOELISOLO , Gazety “Fanasina” 1960 116

Manaporofo izany ny voalaza ao amin’ny bokiny izay teny nataon’ny governemanta tamin’ny fahafatesany: “ ARSENE RATSIFEHERA tia tanindrazana sy mpitolona ho amin’ny fahafanan’ny firenena. Mpikambana sy mpiandraiki-draharaha tao amin’ny MDRM izy ary nitondra faisana sy nigadra noho izany. Anisan’ny mpamorona ny antoko AKFM izy ”136 . Nanampy azy ihany koa i Gisèle RABESAHALA izay namakafaka akaiky ny raharaha politika malagasy sady mpikambana tao amin’ny AKFM. Ny gazety Imongo Vaovao rahateo dia gazety nifototra kokoa tamin’ny resaka politika. Ireo vanim-potoana ireo anefa no tena azo ambara fa nanova ny fiaianana politika ho an’i Madagasikara. Niainany rahateo izany vanim-potoana izany koa tsy mahagaga raha voatahiry ao amin’ny tantara foronina malagasy.

Nisongadina tao anatin’ny fanadihadiana ny tantara ihany koa ny fivalamparana amin’ny fotoana. Misy hevitra azo aroso mba hanazavana izany. Miankina amin’ny votoatin-kevitra tiana haseho ny faharetan’ny fotoana anehoanany tantara; eto dia ny fiaimpiainan’ny olona tamin’ny fanjanahantany no tiana asongadina. Noho izany, nilana fotoana maharitra tokoa izany satria famintinana ny zava-nisy am-polo taonany maro niainan’ny Malagasy niaraka tamin’ny Frantsay mpanjanaka no tantaraina ao. Na ambara hoe famintinana aza dia ilaina ny fivelarana amin’ny fotoana mba hahafahana maneho amin’ny antsipiriany ny zava-nisy tamin’ izany; hanampy indrindra indrindra ny taranaka ao aoriana izany amin’ny fandinihana ny tantara.

Mba tsy ho tsaho tokana ny voalaza ao amin’ny tantaram-pirenena dia io no vainga iray anehoana ny endri-piarahamonina tamin’ny fotoana lasa araka ny nambaran- dRAVELOJAONA manao hoe:

“Toa tsy misy famantarana marina kokoa noho ny literatiora ka izy no mendrika atao hoe: fot ografin’ny sain’ny firenena” 137

136 RATSIFEHERA (A) op cit p 11 137 RAVELOJAONA, “Mpanolotsaina” 18 janoary 1908 117

Manaraka izany, ny fivoaran’ny tantaran’i Madagasikara no aseho eto ka tsy maintsy mandalo taona maro izany. Ny faharetan’ny fotoana mantsy no ahafahana maneho lafin-javatra maro samihafa na ara- teti-pitondrana izany na ara-teo-karena na ara-piarahamonina. Saika hita ao avokoa araka izany ireo lafin-javatra mpiseho eo amin’ny fiainana na ny mampalahelo izany na ny mahafinaritra. Fepetran’ny tantara foronina rahateo ny fahafahany maneho teo-javatra maromaro. Heverinay fa ireny zavatra novoabasana tao amin’ny tantara ireny dia ny fahitan’ny mpanoratra ny zavatra niainan’ny Malagasy tamin’ny vanim-potoana tantaraina. Tsy fanehoan-kevitra am-bava anefa izany fa amin’ny alalan’ny sora-kanto mba hahaliana ny mpamaky koa nezahiny mba hivelatra amin’ny habaka noho ny hamaroan’ny lohahevitra maro voaboasany ao anatiny. Dia toy izay sy izay no azo ambara momba ny fifandraisan’ny fotoana ao amin’ny tantara amin’ny zava-nisy. Fa andeha hiampita amin’ny fampifandraisana ny mpandray anjara sy ny zava-nisy indray isika.

1.1.3- Andram-panazavana momba ny mpandray anjara

Manarakaraka ny toerana sy ny fotoana dia anisan’ny singa iray lehibe mamelona ny tantara foronina ihany koa ny mpandray anjara. Fa inona tokoa moa ny hevitra fonosin’ny mpandray anjara raha mitaha amin’ny zava-nisy ara-tantara? Maro ny hevitra azo aroso momba izany koa andeha iverenana fohy ny momba ireo mpandray anjara dia tsoahina avy amin’izany ny fifandraisana apetrany. Raha iverenana fohy ny momba ny mpandray anjara dia hita fa anarana malagasy avokoa no tao amin’ny tantara; anarana notovozina avy amin’ny anarana malagasy, ary raha idirana lalindalina kokoa àry dia hita fa anarana notovozina avy eto anivon-tany ireo. Izany dia manamafy ny voalaza tetsy ambony manao hoe: teto Antananarivo no toerana nanorenana ny tantara ka ny mpandray anjara dia saika notovozin’ny mpanoratra tamin’izany toerana fantany izany avokoa.

118

Manamafy izany i François MAURIAC manao hoe: “olona nalain’ny mpanoratra teo amin’ny manodidina azy ihany no tantarainy; olona izay fantany tsara ny momba azy sy ny fomba fiainan”.138 Mazava ho azy araka izany fa ny fiaimpiainan’ireo sarangan’olona samihafa teto Antananarivo tamin’ny vanim-potoana tolona sy fahaleovantena no abaribarin’ny tantara. Ohatra amin’izany ny mpiasam-panjakana izay isoloan-dRamanda tena amintsika araka ny hita ao amin’ny tantara; eo ihany ny olon-tsotra toa an-dry Mily izay mpivaro- damba teo Anakely fa tsy diso anjara tamin’ireo ireo tia tanindrazana malagasy toa an’i Solo , Ravalo, ny mpamboly sy mpiompy toa ny rain’i Fetrarivo. Araka izany, fiarahamonina malagasy no asehony ao ka dia mpandray anjara avy ao amin’io farahamonina io no ezahiny aseho ao anatin’ny vontoatin’ny tantara, izany hoe, fiaimpiainan’ny vahoaka tamin’ny vanim-potoana resahina no asehon’ ny mpanoratra eto. Koa amin’ny maha malagasy ny mpanoratra dia mahita ny ambangovangom- piainana ao anatin’io fiaraha-monina io izy ka ireny no lokoiny amin’ny famoronana mba hanome endrika kanto 139 . Azo inoana ihany araka izany fa solon-tenan’ny vahoaka malagasy ireto asehon’ny mpanoratra ao anaty tantara foronina ireo.

Manaraka izany ny tantara dia maneho ny rafi-piarahamonina malagasy, ary manampy izany, vanim-potoana nanana ny tantarany no aseho etoana, noho izany indrindra no heverinay fa anton’ny fisafidianana ny lehilahy ho mpandray anjara fototra. Ny fiarahamonina malagasy amin’ny ankapobeny dia fiarahamonina momba ray ka manome lanja kokoa ny lehilahy. Izany hoe, tsy mitovy ny anjara toeran’ny vehivavy sy ny lehilahy eo amin’ny fiarahamonina ka izany dia miseho eo amin’ny asa atao na ny andraikitra sahanina noho ny tsy fitovian’ny hery ao amin’ireo sokajin’olona roa ireo. Araka ny ambaran- dRakoto amin’ny tantara

138 MAURIAC (F), op cit, « Les personnages du second plan sont ceux qui ont été empruntés à la vie directement.p 158 139 MAURIAC (F) , op cit « Les héros de romans naissent du mariage que le romancier contracte avec la réalité » 119

“ Ny tantaran-dRakoto ” manao hoe:

Ny fikarakarana tokantrano sy ny ankizy no anjaranareo dia izay. Fa izahay lehilahy kosa dia mizaka ny latsan’ny vava mitanatana tsy mahita harapaka, ny fitolokon’ny menaky ny aina tsy manan- kitafiana. Nahoana dia toy izao no fizotry ny fiainana.

Noho izany, misy ny andraikitra efa voatokana ho an’ny lehilahy dia ny adidy ivelan’ny tokantrano: fitadiavam-bola hamelomana ny ankohonana, ny adidy eo amin’ny fiarahamonina, fanompoam- pirenena, sns. Ireo adidy ilàna herim-po sy herin- tsandry araka izany dia napetraka ho an’ny lehilahy koa tsy mahagaga raha toa ka ny lehilahy no mahazo laka teo amin’ny fomba famoronan’ny mpanoratra ny mpandray anjara.

Manampy izany, ny vanim-potoana izy asehon’ny mpanoratra eto dia vanim- potoana lehibe eo amin’ny tantaran’i Madagasikara. Koa noho izany dia nosafidina manokana ny lehilahy izay tompon’ny hery sy ny adidy eo amin’ny firenena mba hanehoana ny zava- nisy tamin’ izany. Io sokajin’olona io no tena niharitra sy niaina ny zava- nisy marina, afaka misedra ny mafy na ara-tsaina izany na ara-batana. Anisan’ ireny ohatra ny tolona fanafahana ny firenena tamin’ny 1947.

Manaraka izany, ny mpanoratra dia saika lehilahy avokoa, ka ny fiaimpiainan’ny lehilahy no tena fantany kokoa satria inoana fa anisan’ ireny mpitolona ho fanafahana ny firenena tamin’ny taona 1947 ireny izy ireo. Raha halalinina kokoa dia azo zaraina ho sokajy roa (2) io sokajin’ny lehilahy io: Andaniny dia ireo tovolahy mbola tanora, ankilany dia ireo lehilahy efa nahazoazo taona. Amin’ny ankapobeny dia nomen-danja kokoa ny tanora teto satria raha mbola zaza no atao mpandray anjara dia tsy hahaefa na inona na inona fa mbola miankin-doha amin’ny ray aman-dreny, izany hoe, mbola ny endrika fiankinana amin’ny hafa no hita ao. Raha tanora kosa no aseho ao dia endriky ny fahaleovantena sahady no tiana hasongadina amin’izany, eo mantsy ny tanora no miezaka miala tsikelikely amin’ny ray aman-dreniny ka mitady ny fahaleovantenany ho azy samy irery. Manampy izany ny fahavorian’ny herim-batany ahafahana manao zavatra maro. 120

Fehiny, ny fampiasana ny lehilahy ho mpandray anjara fototra dia endrika tandindon’ny fahaleovantenan’i Madagasikara. Manamarina izany i François MAURIAC manao hoe : “fahita matetika ny famelomana mpandray anjara tanora ao amin’ny tantara ho an’i firenena avy niady”.140 Farany, misy hevitra azo aroso ihany momba ny fifanoherana eo amin’ny toetry ny mpandray anjara. Hitantsika tao amin’ny filazalazana momba ny toetry ny mpandray anjara fa mizara roa miavaka tsara amin’ny ankapobeny ny toetra natafy ny mpandray anjara dia ny toetra mahafinaritra ary ny toetra sadasada. Ny anton’ izany indrindra no velabelarintsika eto ambany. Izao sokajin-toetra roa izao dia mampiseho amintsika ny endriky ny fiarahamonina malagasy tamin’ny vanim-potoana izay nohadihadiana, izany hoe: teto dia nivaky roa ny fiarahamonina malagasy: tao ireo izay nikatsaka hahasoa mandrakariva ny firaisa-monina teo amin’ny samy Malagasy ka nanandratra avo ny maha malagasy; ao anatin’izany ny toe-tsaina. Izany dia niseho tamin’ny alalan’ny fifanampiana, ny fitsinjovana ny hafa, fitiavana ny mpiara-monina, eny hatramin’ny fitiavana ny Tanindrazana, izany hoe, fanaovana sorona ny tena mba hananan’i Madagasikara fahaleovantena. Raha atao kaporay dia ny fihavanana sy fifampitsimbinana teo amin’ny Ntaolo izany.

Ankilany, tao ireo Malagasy sadasada, efa nandova ireo fomba vahiny ka lasa nanandratra ambony ny fitiavam-bola sy ny voninahitra. Ity toe-tsaina ity dia tena nahazo laka teto satria rehefa tsy manaraka ny fomba vahiny dia iharan’ny sazy maro samihafa. Tsy te-hahita fahasahiranana amin’izany ny ankapoben’ny olona ka dia nanaraka ambokony izay notadiavin’ny mpanjanaka. Ireo toetra roa ireo araka izany dia notovozin’ny mpanoratra tamin’ny zava-nisy niainany fa tsy tongatonga ho azy akory ka ny fifanoheran-toetra teo amin’ny mpandray anjara dia sary maneho ny fifanoheran’ny Malagasy sy ny Frantsay.

140 MAURIAC (F), op cit, “celà se passe bien entendu, dans ce monde d’ après guerre où la jeunesse seule a prix où seule elle a tous les pouvoirs”. P51 121

1.2- Andram- panazavana momba ny fomba fanehoan-kevitra : Misy karazany maro ny fomba fanehoan- kevitra saingy izay mibahan- toerana ao amin’ny tantara no isontomana hevitra eto dia ny voambolana, fehezanteny miaingitra, ny ohabolana sy oha- pitenenana ary ny tononkalo. 1.2.1- Andram- panazavana momba ny voambolana:

Efa natsidika tao amin’ny fizarana faharoa fa ankoatra ny voambolana malagasy izay fototra nandrafetana ny tantara dia ahitana karazana voambolana hafa koa ao amin’ny tantara. Ireto avy izany raha fintinina: voambolana frantsay, voambolana frantsay nogasina, voambolana kristianina. Tsy mandeha ho azy ireny fa maneho ny teo-java-nisy avokoa araka izao famakafakana manaraka izao.

Voalohany indrindra dia momba ny voambolana malagasy tsotra. Antony maro no heverinay fa nahatonga ny mpanoratra hisafidy ny voambolana malagasy ho fototra amin’ny fananganana ny tantara: malalaka kokoa ny fanehoan-kevitra rehefa amin’ny tenin’ny tena no anehoana azy. Manampy izany, ny olona handefasana ny hafatra rahateo dia Malagasy. Noho izany, raha tiana ho tafita haingana ny hafatra dia tsy misy afa-tsy ny tenin’io fiarahamonina io ihany no fitaovana mahomby indrindra hahatontosa izany.

Faharoa manaraka izany, ny endri-piarahamonina malagasy no tiana haseho eto; noho izany, nosafidina manokana ny voambolana malagasy mba hanehoana ny zava- misy ao aminy na lafiny fitondrana izany na lafiny toe-karena na lafiny fiarahamonina sy kolontsaina. Natao hakana lesona ireny literatiora ireny ka raha toa ka ny tolona izay nataon’ireo tia tanindrazana tamin’ny 1947 sy ny fomba fitantanana teto Madagasikara no tiana aseho dia rariny raha teny malagasy no nentina naneho izany. Betsaka mantsy ireo izay mbola sahirana amin’ny fampiasana ny teny vahiny ka tsy hisy zavatra ho azo raisina raha io no nampiasaina. Izany ihany koa dia natao indrindra mba hisintonana ny mpamaky satria ny zava-misy iainan’ny olona andavanandro no asehon’ny mpanoratra ao.

122

Farany, fanomezan-kasina ny teny malagasy ireo asa soratra ireo, izany hoe, fampisehoana fa ahafahana milaza zavatra maro ny teny malagasy ary manan-karena amin’izany izy satria iaraha-mahalala fa tao anatin’ny vanim-potoana voalohany tantaraina ao amin’ny tantara dia vanim-potoana nanaovana tolona lehibe ho fanafahana ny firenena ka hananany fahaleovantena, anisan’ireny ny tolona fanafahana ny teny malagasy. Iaraha-mahalala rahateo ny fanjanahan-tsaina natao tamin’ny Malagasy. Noho izany, ny fampiasana ny teny malagasy toy izany dia anisan’ny anjara tandrify entin’ny mpanoratra malagasy amin’ny tolom-panafahana tamin’ny 1947. Manamarina izany i BOITEAU ka hoy izy: “ny literatiora malagasy dia tena nanana anjara toerana lehibe tamin’ny fanoherana ny tsy rariny nataon’ny mpanjanaka”141 . Anjara biriky hoy aho satria samy miezaka manao izay tandrify azy ny tsirairay, ny mpanao politika dia manao izay efany amin’ny politika, ny mpahay toe-karena dia manao izay tandrify azy, ary toraka izany koa ny mpanoratra dia manatontosa ny andraikiny eo amin’ny tolona fanavotana an’i Madagasikara ka eto dia tolona ho fahaleovantenan’ny literatiora malagasy no nataony 142 . Ny kolontsaina dia anisan’ny maha firenena ny firenena araka ny nambaran’i Esther RANDRIAMAMONJY manao hoe: “Samy manana ny literatiorany ny firenena tsirairay avy, samy manana ny maha izy azy avy ireny literatioram-pirenena ireny. Tena azo lazaina aza fa ny fananana literatiora amin’ny tenin-drazana dia anisan’ny maha firenena ny firenena iray ” 143 Mbola manamafy izany i BOITEAU manao hoe : ireo tantara foronina toa ny an-dry C Rajaobelina dia natao hitehirizana ny lasa 144 Izay sy izay ary no azo ambara fa anton’ny safidina voambolana teny malagasy. Tsy nionona tamin’izany anefa ny mpanoratra fa nindrana ny an’ny hafa ihany koa izy.

141 BOITEAU (P) op cit : « L’oppression culturelle s’est fait sentir dans tous les domaines(…) En dépit de cette oppression, la literature a joué un grand rôle dans la lutte du peuple malgache » p 305 142 BOITEAU (P) ibid, « Des travaux spécialisés comme les recherches linguistique … sont d’importances contributions à la défense et au rayonnement de la culture malgache. » p306 143 RANDRIAMAMONJY (E), Rary kanto , 1995, Tak 7 144 BOITEAU (P), ibid, « Les romans de Ch. Rajaobelina et d’autres auteurs ont contribués à entretenir les souvenirs des temps malgaches » p305 123

Ankoatra izany, fantatra ihany koa nampiasa voambolana frantsay ny mpanoratra. Tsy tongatonga ho azy izany fa misy antony niteraka izany ka ny momba izany indrindra no aseho manaraka. Ny fampiasan’ny mpanoratra voambolana frantsay dia toa maneho amin’ny mpamaky fa efa eo ambavan’ny Malagasy ny teny frantsay. Entina maneho izany fa nisy endri-pandrosoana niditra teo amin’ny fiarahamonina malagasy anisan’ireny ny fidiran’ny Frantsay izay nanjanaka ny Malagasy ka nitondra ny teny frantsay. Tamin’izany fotoana izany dia niniana nosimbaina ny tena malagasy fa nasolo azy kosa ny teny frantsay 145 . Nampiharina teo amin’ny sehatry ny fampianarana ny teny frantsay tamin’ izany 146 . Endriky ny fivoaran’ny fiarahamonina araka izany ny fampidirana ny teny vahiny ho amin’ny tantara. Ny fahitana ireny teny frantsay ireny ao anatin’ny tantara dia ahafahana mitaratra ireo karazam-pivoarana nentin’ny vahiny teto amintsika ka voalohan-daharana amin’ ireny ny teniny.

Manaraka izany hita ihany koa ny fampivadiana teny roa dia ny teny malagasy andaniny sy ny teny frantsay ankilany. Ireny dia anisan’ny fampisehoana endri- pivoarana nisy teo amin’ny fiarahamonina malagasy, anisan’ireny ny kolontsaina frantsay izay nabosesika teto taorin’ny fidiran’izy ireo teto Madagasikara. Nanana ny teniny ny Malagasy dia ny teny malagasy izany, saingy rehefa tafiditra ny frantsay dia novolavolaina tamin’ny tenin’ireo mpanjanaka ireo ny Malagasy. Tsy nahagaga raha toa fiteny hafahafa no tonga teo am-bavan’ny ankabeazan’ny olona. Ireny hitantsika tao amin’ny tantara ireny ny fomba fitenin’ny olona andavanandro tamin’ny vanim-potoana fanjanahantany izay resahintsika eto. Izany hoe, tsy nifehy izay natolotra azy ny olona fa nampivady avy hatrany izay teny malagasy sy ny teny frantsay hitany sy reny. Izany dia vokatry ny fidiran’ny kolontsaina vahiny ary anisan’ny nivaingana tamin’ireny ny teny baiko. Santionany ireto asehontsika ireto : sigarety, avoka, sefo kantao, injieniera, telefaonina, mose;

145 BOITEAU (P) , op cit, « Dès mon arrivée, écrit Galliéni, je traçai la ligne de conduite à suivre à cet égard à tous ceux qui détenaient une part quelconque d’ autorité : la langue française, disais_ je dans une d mes premières circulaires,doit devenir la base de l’ enseignement dans toutes les écoles d l’ île. P301 146 Actes de colloque Internationa sur l’Esclavage, teny taterin’i Lucille RABEARIMANANA, Antananarivo, 24 – 18 septembre 1996 :« Dans le domaine culturel,(…) le français continue a être la langue d’ enseigenement privilégieé ». p 112 124

Izany dia ahatarafantsika ihany koa ny fomba nandraisan’ny Malagasy ny fandrosoana izay nentin’ny ny mpanjanaka ho azy; tsy nisy fandanjalanjana na fandinihana lalina fa avy dia fanakambanana avy hatrany. Vokany, tsy maintsy misy ny mpandresy sy ny resy; koa eto ary dia voatelina tao anatin’ny kolontsaina vahiny ny kolontsaina malagasy anisan’ireny ny teny. Manaporofo izay ny mbola tsy fahafehezan’ny taranaka aty aoriana ny fitenenana fa hita hatrany ny fiteny vary amina akotry.

Voaresaka ihany koa tao amin’ny fomba fanehoan-kevitra ny fampiasana voambolana kristianina. Mifandray ihany koa amin’ny zava- misy ara-tantara izany. Ireny fampidirana ny voambolana kristianina ao anaty lahatsoratra ireny dia nahatsapana fa nandray tamin’ny fandrosoana nentin’ireo misionera anglisy tamin’ny taona 1818 i Madagasikara dia ny fivavahana kristianina izany. Tsapa anefa teto fa toa haingon’ny lahatsoratra fotsiny no nanehoan’ny mpanoratra ireo voambolana ireo fa tsy fanentanana ny olona hivavaka akory; ny mifanohitra amin’izany aza mantsy no hita ao amin’ny tantara dia fahadisoam-panantenana ny amin’Andriamanitra, toa fisalasalana momba an’Andriamanitra no hita misongadina. Tsapa araka izany fa ahazoana mitaratra ny fiarahamonina ny fitaovana ampiasain’ny mpanoratra toy ny teny.

Raha atao bango tokana izay dia hita fa nibahan-toerana ny voambolana malagasy sy ny voambolana frantsay teto. Tsy mahagaga izany satria ny endri- pifandraisan’i Frantsa sy Madagasikara no nasongadina koa ny zava-nisy andavanandro niainan’ny vahoaka malagasy no nasehon’ ny mpanoratra. Raha atao indray mijery dia noporofoana teo fa manana ny maha izy azy ny teny malagasy, ahafahana maneho hevitra tsara ary manara-penitra. Nisedra olana anefa izy noho ny fidiran’ny mpanjanatany teto amintsika; koa ny endriky ny teny malagasy notovonana izany fandrosoana izany no asehon’ny mpanoratra eto anisan’ireny ny fampiasana ny teny frantsay hany ka niteraka olana izany taty oriana raha tsy hilaza afa-tsy ny fampiasana ny teny vary amina akotry isika. 125

Simba ihany koa ny toe-tsaina, lasa tsy miezaka mitady voambolana handikana ny teny frantsay intsony ny olona fa avy hatrany dia gasiana ilay teny. Nanimba ny teny malagasy ireny rehetra ireny.

Izay momba ny voambolana fa ndeha hiampita amin’ny fomba fanehoan-kevitra isika.

1.2.2- Andram-panazavana momba ny fomba fanoratra

Raha miresaka fomba fanehoan-kevitra isika dia anisan’ny voaresaka indrindra amin’izany ireo karazana paika nentin’ny mpanoratra nanangana ny asa sorany. Raha hofintinina fohy dia ireto avy izany amin’ny ankapobeny:

 Ny fitantarana mivantana izay hitantsika lahatsoratra mitantara.  Ny fampiasana fomba fiteny miaingitra.  Ny fampiasana tononkalo ao anaty tantara foronina.  Ny filalaovana amina ohabolana na oha-pitenenana.

Tsy tongatonga ho azy ireny fomba fanehoan-kevitra ireny araka ny fandalinana nataonay fa misy ifandraisany amin’ny zava-misy ara-piarahamonina. Ny momba izany indrindra no ndeha hojerentsika manaraka etsy ambany.

Voalohany indrindra, nampiasa fitantarana mivantana ny mpanoratra rehetra amin’ny ankapobeny satria toe-javatra efa lasa no ambarany ao amin’ny tantara foronina. Na dia ambara aza hoe “foronina” dia safidy natao io fomba fanehoan-kevitra io satria ny fampiasana ny lahatsoratra mitantara dia maneho zava-misy marina. Izany hoe, ny teo-javatra niainan’ny Malagasy no tantaraina ao, ohatra amin’ireny ny fifanoherana teo amin’ny Frantsay sy ny Malagasy tamin’ny vanim-potoana fanjanahantany. Raha atao kaporay dia ny tantaran’i Madagasikara. Mitana anjara toerana lehibe araka izany ity paika raha mitaha amin’ny zava- nisy niainan’ny fiarahamonina. Atao ahoana tokoa moa ny hitantara zavatra amin’ny hoavy? Fa ny teo- javatra efa lasa ihany no azo tantaraina.

126

Faharoa manaraka izany, hita ihany koa ny fampiasan’ny mpanoratra fomba fiteny miaingitra. Fa inona tokoa moa ny anjara asan’izy ireny raha mitaha amin’ny zava- nisy ara-tantara?

Tsotra ihany no heverinay fa antony nampiasan’ny mpanoratra ny fomba fiteny miaingitra na mihataka amin’ny andavanandro. Ankoatra ny maha fepetra azy ao anaty literatiora dia manana anjara asa goavana tokoa izy ireny. Indraindray dia saro-takarina ihany ny hevitra ambaran’izy ireny saingy niniana natao izany satria mafy loatra ny fifandonana misy eo amin’ny mpandray anjara ka mety hahatohina ny mpamaky ny fehezanteny avoakan’ny andaniny na ny ankilany. Ohatra ny hoe: “Raha misy mitsipelika toy ny trondro any, misy tandroho tsara laina aty” Tsy mivantana ny hevitra tiana ambara fa ankolaka. Mba tsy hampivatravatra ilay teny na fehezanteny dia namboarina ilay izy, atao miendrika sarinteny mba ho maivamaivana kokoa. Raha mitaha amin’ ny zava-misy izany, ohatra ny fanararaotana na habibiana nataon’ ireo mpanjanaka, dia ilaina tokoa ny manamboatra ny fomba fiteny. Mety handratra ny mpamaky loatra mantsy raha toa ka ilay fomba fitenin’ny mpanjanaka, fanarabirabiana no atao mivantana.

Fahatelo manaraka izany, eo ihany koa ny fisafidianana tononkalo mba hampiasaina ao anaty tantara foronina. Tsy mahagaga izany satra raha mitodika amin’ny zava-nisy isika dia nahatsapa fa vanim- potoana nampahery vaika ny sivana ny vanim- potoana nivoahan’ny tantara izany hoe 1956- 1972. Tsy mahagaga araka izany raha toa ka miolakolaka ny fomba fanehoan-kevitry ny mpanoratra. Nosafidiny tamin’izany ny tononkalo ary io no fitaovana iray nanehoany ny zava-nisy niainan’ny Malagasy. Ohatra ny tononkalon’i RADO, ny tapany voalohany dia milaza ny fahatofohana amin’ny fitondram-panjanatany ary ny tapany faharoa kosa indray dia maneho fahavononana feno hitolona ho an’ny Tanindrazana. Misy hevitra tiana asongadina amin’izany saingy raha ho tsorina dia izao: Na dia mafy aza ny fiarahana tamin’ny Frantsay dia mitaona antsika ny mpanoratra malagasy mba tsy ho kivy ka hanana fikirizana hitolona ho an’i Madagasikara ka hanohitra ireo tsy rariny eo anivon’ny fiarahamonina

127

Manamarina izany indrindra i BOITEAU manao hoe: mba hanoherana ny tsy rariny teo amin’ny lafiny kolontsaina dia nanana anjara asa goavana ny literatiora malagasy ka anisany nisantantra izany ny tononkalo nataon’Ny Avana RAMANANTOANINA. 147

Hamaranantsika azy dia ny filalaovana amin’ny ohabolana sy ny oha- pitenenana. Ny anjara asan’izy ireny ao anatin’ny tantara no ndeha hidirantsika manaraka.

Iaraha-mahalala fa ny vanim-potoana izay vahavahana eto dia vanim-potoana tena nanan-danja teo amin’ny tantaran’i Madagasikara. Teto mantsy no nisian’ny tolona lehibe tamin’ny fanafahana an’i Madagasikara ary teto ihany koa no nitsanganan’ny repoblika voalohany. Araka izany, teto no tena nahitana taratra ny endriky ny fitiavan-tanindrazana teo amin’ny Malagasy. Fa tsy latsa-danja tamin’ ireny ireo mpanoratra malagasy izay niezaka mba haneho ihany koa izay fitiavan- tanindrazana tao aminy. Teo amin’ny sehatry ny kolontsaina no tena nahitana izany ka ny nimasoany dia ny famelomana indray ny teny malagasy ka anisan’ireny ny ohabolana sy ny oha-pitenenanana. Raha fintinina izany dia izao no azo ambara, niseho tamin’ny endrika maro ny fitiavan-tanindrazana teto amin’ireto vanim-potoana ireto. Teo amin’ny sehatry ny kolontsaina no tena nahitana ny anjara asan’ny mpanoratra ka fanindraindrana ny kolontsaina malagasy no tena nataony anisan’ireny ny teny malagasy.

147 BOITEAU (P), op cit, « en dépit de cette oppression, la littérature a joué un grand rôle dans la lutte du peuple malgache.Les poèmes de Ramanantoanina , Ny Avana , qui dès 1910 commenca, en termes voilés mais combien populaires, à dénoncer l’ oppression coloniale. » p305 128

Raha fintinina izay hita rehetra izay dia niompana tamin’ny fampifandraisana ny endrika ivelan’ny tantara sy ny zava-nisy. Hita tao anatin’ izay fa na dia samy manana ny fomba fehoan- keviny aza ny mpanoratra tsirairay dia akon’ny zava-nisy niainan’ireo mpanoratra ireny ka tsy hay tohaina fa voasoratra ao anatin’ny tantara. Araka izany, tsapa tao anatin’ izay fampifandraisana izay fa tsy singa miavaka ao anaty tantara foronina akory ny fomba fanehoan-kevitra fa paika iray ahafahana sahady mitaratra ny endri-piarahamonina izay hadihadiana. Noho izany, tsy azo atao ambanin- javatra izy ireny raha toa ka mandinika momba ny tantara foronina isika. Na izany aza anefa dia tiana ihany ny manamarika fa amin’ny ankapobeny ihany io fanadihadiana io, ny anton’ izany dia noho ny haitsikera izay manome lanja bebe kokoa ny hevitra. Ndeha ho fintinina ao anaty fafana izany rehetra izany.

129

Fafana 6: Ny fifandraisan’ny zava-nisy sy ny endrika ivelan’ny tantara

Zava-nisy Akon’izany teo amin’ny endrika ivelan’ny tantara foronina Fanehoana ny rafi-piarahamonina Voambolana malagasy tsotra, teny malagasy tamin’ny fanjanahantany sy malagasy madio repoblika voalohany Fanehoana ny fidiran’ny kolontsaina Fampiasana voa mbolana frantsay vahiny izany nentin’ny mpanjanaka tsirairay ao anatin’ny tantara foronina Oh: teny frantsay Oh:chef de canton, avocat, gouverneur

Fampivadian’ ny Malagasy ny kolontsaina Fampiasana voambolana frantsay frantsay sy ny kolontsaina malagasy nogasiana Oh : sigarety, Mose Fandraisan’ ny Malagasy ny fandrosoana Fampiasana voambolana kristianina tandrefana Oh : Izaho mino, hotely, Eglisy Oh : ny fivavahana kristianina tamin’ny 1818 Fampitamberenana ny tolona tamin’ny Fampiasana lahatsoratra mitantara fanjanahantany (1947) sy ny fitantanana “Fitantarana mivantana” tamin’ny repobika voalohany Fifamalian’ny frantsay sy malagasy izay Fehezanteny miaingitra hanalefahana ny nahery vaika tokoa fomba filazan- javatra

Sivana tamin’ny fanjanahantany momba Fomba fanehoan- kevitra ankolaka ny lahatsoratra avoaka (fampiasana tononkalo)

Tolona fanatsarana ny kolontsaina Filalaovana amina ohabolana na oha - malagasy pitenenana

130

II- NY VOTOATIN’ NY TANTARA SY NY ZAVA - NISY

Lafin-javatra roa lehibe tsy afa-misaraka ny tantaram-pirenena sy ny tantara foronina araka ny tsikera izay nampiharina. Ny mpanoratra mantsy dia olon’ny fiarahamonina ary noho izany dia ny tantara’io fiarahamonina io no asehony amin’ny fomba kanto amin’ny alalan’ny famoronany. Koa “ ny votoatiny, ny rivotra iainana ao anatin’ny lahatsoratra manontolo dia tsy noforonina fa ny tena izy no aseho ”148 Mbola manamafy izany i ZERAFFA (M) manao hoe: ny tantara foronina ihany no fomba tokana hahafantarana ny fiainan’ny olona teo aloha sy ny fahitan’ izy ireo ny tontolo misy azy 149 . Izany fifandraisana izany indrindra no ndeha hoporofona manaraka eto.

Mialoha ny hidirana amin’ny votoatin’ny fanazavana dia heverinay fa tsara ny hanaovana jery todika kely vetivety ny zava- nisy ara-tantara . Raha ny zava-nisy teto Madagasikara tao aorian’ny ady lehibe faharoa no iverenana fohifohy dia azo ambara fa tantara tsy hay hadinoina teo amin’ny tantaran’i Madagasikara ny tolona nataon’ireo tia Tanindrazana malagasy tamin’ny taona 1947. Mbola tao anatin’ny fanjanahantany mantsy i Madagasikara tamin’izany vanim-potoana izany ary mazava ho azy fa ny mpanjanaka no tompon’ny fahefana eto. Niharihary tamin’izany fa ny rafitra nisy ny mpanjanaka no nampiharina teo amin’ny Malagasy , anisan’izany ny fomba fitondrana ny Malagasy izay toa nandevozina ... Fa anisan’ny tena nanova ny tantaran’i Madagasikara fipoahan’ny ady lehibe faharoa tamin’ny taona 1939 – 1945. Io toe-javatra io mantsy no nanova ny fiaim- piainan’ny Malagasy amin’ny ankapobeny. Noho izany ady izany mantsy dia voatery niasa mafy ny Malagasy, nanjaka ny fanararaotana maro samihafa, tena azo ambara fa nijaly ny vahoaka malagasy.

148 ANDRY ANDRAINA, op cit, p 5 149 ZERAFFA(M), op cit, « Le roman est (…) la seule façon correcte de connaître la vie réelle, publique ou privée, des hommes du passé, leur sensibilité, ler rreprésentation du monde » p 186 131

Fahantrana lalina sy fijaliana no naterak’izany. Teo anatrehan’izany, nahatsiaro ny tsindrihazolena mianjady aminy ny Malagasy ka dia nijoro hitaky fahaleovantenany. Tao anatin’izany no nipoiran’ ny fihetsiketsehana eran-tany izay nitaky famahana ny zana-tany ka nahatonga ny firenena samihafa hitaky ny fahaleovantena.

Nanampy trotraka izany ny fijoroan’ ireo fikambanana maro izay tsy miaro ny zon’olombelona toy ny firenena mikambana 150 . Nahazo hery ny Malagasy noho izany ka dia nijoro hanohitra ny tsy rariny mihatra aminy ary ny amin’ny fiandrianam- pireneny. Io no hany sisa fanantenan’ny Malagasy teto ka nirotsaka hitaky ny fahaleovantenam-pirenena ny antokon’olona tsirairay. Samy nanefa ny adidy izay tandrify azy ny tsirairay hany ka lasa tara-kevitra iray lehibe nibahan-toerana ity fitiavan-tanindrazana ity. Azo fintinina ho efatra lehibe ireo tarakevitra hita tao amin’ny vontoatin’ ny tantara ka ny loharano nipoiran’ireny indrindra no jerentsika manaraka.

2.1- Ireo endri-pamoretana hita teo amin’ny fiarahamonina Malagasy

Maro ireo endri-pamoretana hita teo amin’ny fiarahamonina malagasy saingy mba hahafahana mamakafaka kokoa izany dia andeha hojerena isaky ny lafim- piainana izany.

2.1.1-Fanjakazakan’ny mpanjanatany

Raha teo amin’ny tantara foronina dia anisan’ny nimasoan’ny mpanoratra ny naneho ny toetoetran’ireo mpitondra vahoaka. Nisongadina tamin’ireny ny toetra ratsy. Tantara ihany ireny saingy na izany aza dia hita taratra fa notovozin’ny mpanoratra tamin’ny zava- nisy hitany na niainany 151 . Ny mpitondra izay asongadin’ny mpanoratra eto dia tsy iza fa ireo Frantsay izay nanjanaka antsika hatramin’ny 1896- 1960. Tsy hadinoina rahateo fa ny vanim-potoana izay fakafakaintsika eto dia nanomboka tamin’ny taona 1938 ka hatramin’ny 1972.

150 ONU : Organisation des Nations Unies 151 ZERAFFA (M), op cit, « l’individu romanesque, qu’il soit destiné à mixer exactement la réalité sociale » p 37 132

Raha teo amin’ny resaka fitondrana àry no asiana teny dia miharihary tanteraka ny tsy rariny ataon’ny mpitondra. Masi-mandidy tamin’ izay rehetra nataony izy ireo satria endrika didy jadona no nampiharany tamin’izany. Amin’ny ankapobeny dia nomena ny frantsay avokoa ireo sampana fibaikona rehetra 152 ; koa tsy misy afa-manohitra izay tian’ny mpitondra atao. Tafalatsaka tanteraka ao anatiny ny hoe : izy mpampiasa, ary ny Malagasy no mpiasa. Niharihary tanteraka ny fanandevozana ny Malagasy. Ohatra amin’ ireny ny fomba famindrana toerana ireo mpiasam-panjakana. Rehefa tiana hafindra dia hafindra ary tsy misy afaka misakana izany. Izay tian’ny goverinora tanterahana dia tsy maintsy efaina. Tsy misy fandraharahana azo atao mihitsy amin’ izany. Toy izao no anehoan’ny tantara foronina izany: “ Izy no Mose Rahaingo goverinera (…) tsy maintsy mihaino ny kabariny ny mpiantsena rehetra(…) - Vary tototry ny atsanga anie isika tantsaha e! voatery setra havozona ka tsy misy hiolanolanana” " Avotry ny rafy ”

Fa ny tantaram-pirenena koa dia mbola manamarina izany ka hoy i BOITEAU : Toetra iray tsy afaka ao amin’ny fitondram-pajanahan-tany ny asa anterivozona 153 .

Dia toy izany ny zava-nisy teo amin’ny rafi-pitantanana tamin’ny andron’ny mpanjanaka. Hitantsika amin’izao fa ohatra mivaingana maneho ny tantaram-pireneny ny literariora. Ndeha isika hiampita amin’ny lafiny toe-karena indray.

152 BOITEAU (P), op cit , « Tous les postes de commande dans l’ administration (…) sont entre les mains des Français » p 296 153 BOITEAU (P), op cit : “ Le travail forcé, sous des formes diverges, apparaît bien ainsi comme l’ une des caractéristiques essentielles du régime colonial » p 266

133

2.1.2- Ny fanambakana sy fitsentsefana ireo teratany malagasy

Tsy teo amin’ny lafiny fitondrana ihany no nahitana ireo tsy rariny nataon’ny mpanjanaka fa teo amin’ny lafiny teo-karena ihany dia niharihary fatratra ny fampisehoana didin’ny be sandry sy ny fanambakana ireo tantsaha madinika. Amin’ny ankapobeny dia mpamboly avokoa ny malagasy, teto anefa dia voafetra ny tanin’ny Malagasy sy lasan’ ireo mpitondra avokoa ny androtokony 154 . Izany ny endrika fitsentsefana nataon’ny mpanjanaka sy ireo mpiray petsapetsa tamin’ny mpanjanaka. Nasehon’ireo mpanoratra malagasy ao anaty tantara foronina izany fanararaotana sy fitsentsefana ataon’ireo mpitondra izany. Anisan’ny lasibatra tamin’ireny ny tanin’ny mpamboly madinika. Iaraha-mahalala fa io no foto- piveloman’ny malagasy amin’ny ankapobeny kanefa dia nanaovan’ireo mpanamboka hafetsifetsena maro isan-karazany. Toy izao no nanaovan-dRainijery ireo ireo olona sahirana ara-pivelomana “ Etsy ho lazaiko anao: Efa ela no nitsiriritan’ingahy Rainijery an’ireo tany ireo izay mifanolotra amin’ny azy, dia ny an’ ingahy Rainizanabary sy ny an’ Itompokovavy vadiko, fa mpirahalahy moa izy.Notambatambazany izahay, norahonany koa hivarotra taminy nefa tsy nety fa mba tsy foy koa izany hivarotra tany navelan’ny razana.” “Ny fahatezerany ”

Toy izao kosa no hita ao amin’ny tantaran - dRakoto

“Fa hono, ho’ aho, mbola hanontaniako kely ihany ity: moa tsy manana tany novelena fanampin’ izay azo tamin’ny fampianarana ianareo? –Nisy tokoa Ranaivo saingy rehefa lasa sesitany aho dia nanaovan’ny vazaha amboletra fotsiny izao, azony tamin’ny tsikombakomba tamin’ny fanovany tamin’ ilay admisy mpifehy ny faritany.Na ny kafe na ny voly kely natao teo dia tena ara- bakiteny no ilazana aza fa nanjavona” “Ny tantaran- dRakoto ”

Tantara izany saingy ndeha hoporofointsika fa tsy teraky ny eritreritra fotsiny ireny fa indrindra indrindra teraky ny zava-misy.

154 BOITEAU (P), op cit, « L’immense majorité de la population malgache vit de l’agriculture(…) mais la propriété terrienne a été étroitement limitée par le regime colonial en ce qui concerne les Malgaches » p 281 134

Ny tantara 155 tokoa mantsy dia maneho fa nanao izay tratry ny heriny ny mpitondra sy manodidina azy tamin’ny fanararaotana sy fanambakana ny Malagasy. Hoy SPACENSKY raha nilaza izany: Ny mpitondra no voalohan-daharana tamin’ny famariparitana tany hovolena tamin’ny toerana maro samihafa ”156 .Niseho avokoa ny karazana fanambakana rehetra hoy koa i BOITEAU 157 Mbola hamafisiny ihany koa fa tsy voafaritra mihitsy ny tany mahavokatra lasan’ireny kaompania vahiny ireny 158 . Hitantsika amin’izany fa dia nanao ezaka tokoa ireo mpitondra ireo mba hahazoany tombotsoa eto amintsika. Izy ireo no lasa mpibaiko fa isika kosa mihafihafy eo ambany fifehezany.Hoy indrindra i BOITEAU raha naneho izany: Nahery ny fanerena ny olona hiasa indrindra ary niverina naka endrika fanandevozana izany tany ambanivohita 159 . Raha halalinina kokoa ary dia hita fa lasa mpiasa madinika tany amin’ireny vahiny ireny ny Malagasy, izany hoe nataony ho toy ny fitaovam- pamokarana fotsiny. Manaporofo izany ny hita ao amin’ny tantara foronina izay maneho ny fomba fizarana vokatra. Ny iray ampahatelon’ny vokatra no omena ny mpamboly ny tany sy izay nikarakara azy fa ny roa ampahatelony kosa (ny sisa rehetra) dia omena ny tompon’ny tany .Anisany maneho iznay ny “ Ny fahatezerany”

“Soavaly vahiny ety tokoa ialahy ry Jaonary, hoy izy, ka tsy mbola mahalala izay tokony hatao. Ary soa ihany fa eto aho hanorotoro an’ ialahy fa raha tsy izany dia hihomehezan’ny olona no hiafaran’ ialahy. Ny ampahatelon’ny vokatra lehitsy no omena izay miasa ny tany fara –fahabetsany na ny ampahaefany aza fa tsy ny antsasany à!”

155 Histoire

156 SPACENSKY (A), op cit : «Le colon est propriétaire dans la concession territoriales qu’il a recue da l’administration des terrains de culture vivriaires d’un ou plusieures villages » p 60 157 BOITEAU(P) ,op cit, « Toute un série de mesures de réquisition sont alors prises » p357

158 SPACENSKY, ibid : «Les concessions réunionnaises se sont établies le long des vivrières, leur surface est variable à l’infinie » 159 BOITEAU( P) ,op cit « D’ autre part, la paysannerie vit dans un régime d’ oppression pire encore que celui des villes. Après les évènements de 1947, en particumier, le travail forcé a été réintroduit dans les campagnes 135

Tsapatsika amin’izany ny fanambakana nataon’ireo mpanjanaka ireo teto Madagasikara. Tsy mahagaga araka izany raha abaribarin’ny tantara foronina malagasy ireny endrika fanararaotana maro samihafa ireny. Vokatr’izay lasa tara-kevitra iray lehibe tamin’ity vanim-potoana ity ny famotsipotsirana ireo hafetsena sy fitsentsefana nataon’ny mpanjanaka teto Madagasikara. Nandray an-tanana ny fampisehoana ireny ny gazety Imongo Vaovao tamin’ny alalan’ny tantara foronina teo am-pelatanany. Filamatra napetrany rahateo ny hakany ireny tany ireo eo am-pelatanan’ny mpanjanaka ka handraisan’ny vahoaka izany. Fa anisany nahitana taratra izany endri- panararaotana izany koa ny sehatry ny kolontsaina.

2.1.3- Ny fanararaotam-pahefana

Raha eo amin’ny sehatry ny fiarahamonina indray no resahina dia hita fa nanao izay tiany atao ireo mpitondra ireo.Noterena hanaiky ny malagasy fa tsy novolavolaina hieritreritra 160 . Koa izay rehetra nataony dia tsy azo notoherina avokoa. Ohatra amin’izany ny fakana zavatr’olona an-keriny. Toy izao no anehoan’ny tantara izany: “ eo amin’ny mpivaro-kena aho no mazàna miato. Asaiko angonina ho ahy avokoa ny losony sy ny sakaizam-patsany” “Avotry ny rafy ” lah 3

Fa anisany tena nampihariharian’ ireo mpitondra ny heriny ny fakana zazavavy kely mba hanaparany ny filany. Rehefa tonga mitsidika mantsy izy ireny dia efa asaina omanina ao ireo tovovavy kely tsy ampy taona, tsara tarehy mba hikarakara ny lehibe. Amin’izay fotoana izay dia ataony avokoa izay hampanaovina azy, ary ny tena mahamenatra dia ny fanararaotan’ireo mpitondra ireo ny tovovavy ka hanaparany ny filan’ny nofony.

160 BOITEAU (P), op cit, « On ne demande pas à l’indigène ne réfléchir mais d’obéir » p 301 136

Toy izao no hitantsika ao amin’ny Mitaraina ny tany :

“Loza ho an’ny zazavavy irin’ olona raha tambanivohitra sy mahantra izy(…) Renay tamin’ izay andro izay fa tonga mitaky hetra ao an- tanàna ny lehiben’ny kantao. Nony hariva vita sakafo izahay, niditra tao aminay ny mpiadidy. -Tadiavin-dRagova i Manana, hoy izy rehefa vita ny fifanatsafana. - Tadiaviny ahoana? hoy i Dada hita fa taitra mafy. -(…) - Raha izaho ialahy ry Indrasana , tsy miseho ho sarotiny amin’ izany aho. Fantatr’ ialahy ihany Ragova.Izay ilainy azony, izay tiany hatao vitany. Faty antok’ ialahy misankatsakana ny tadiaviny fotsiny” 161 .

Izay no hita teo amin’ny lafiny fiarahamonina fa andeha hidirana indray ny teo amin’ny sehatry ny kolontsaina.

2.1.4-Famotehana ny kolontsaina malagasy:

Ankoatra ny hita tamin’ny andron’ny fanjanahantany dia mbola nitohy ny fanindraindrana ny kolontsaina frantsay na dia efa tafiditra tao amin’ny repoblika voalohany aza. Nezahina naparitaka hatrany ny kolontsaina frantsay indrindra taty amin’ny tanora andrenivohitra 162 .Araka ny ambaran’ i BOITEAU (P) manao hoe: mba tsy hahatonga saina ny malagasy dia tsy maintsy simbaina ny kolontsaim- pirenena maha izy azy 163 .

161 ANDRY ANDRAINA op cit p 43- 44 162 Acte de colloque, op cit « Quant au centre culturel Albert Camus, installé dans le capitale en 1963, et aux nombreux sections de l’Alliance francaise dissémineés dans toutes les villes du pays ?Ils contribuent efficacement à diffuser la culture française parmi ube jeunesse urbaine » p 112 163 BOITEAU (P) , op cit, « Pour interdire au peuple malgche de prendre conscience de son unité, il importait de détruire sa culture ntionale. » p 301 137

Araka izany, nezahin’ireo mpitondra ny namafa tanteraka ny maha malagasy ny Malagasy. Anisan’ireny ny teny, ny fomba fanao sy ny maro hafa .Izany hoe, hita teo amin’ny lafiny rehetra ny famotehany ny kolontsaina malagasy toy ny gazety, ny literatiora, ny fampisehoana an-dapihazo, ny zava-kanto 164 Nodontoina ny vahoaka fa hoe ratsy ny an’ny Malagasy fa ny an’ny vahiny no fandrosoana tsara. Tsy nahagaga araka izay raha lasa fiarahamonina sadasada no nisy teto Madagasikara. Ahitana taratra izany avokoa na ny fiteny, na fomba fihetsika, na fitafy …Toy izao indrindra no hita amin’ny tantara “ Avotry ny rafy” Izay manaporofo izany voalaza izany: “ Manaraka izany, hoy aho, nanohy ny teniko, atsaharo masonandro anio ireny dihin- drazana mahazatra anareo ireny. Andron’ny vazaha izao ka vazahio ny tena sy ny saina ary ny fanahy” lah 15

Fehiny, niaritra ny mafy ny Malagasy tamin’ny fitondran’ny mpanjanaka. Hita teo amin’ny lafim-piainana rehetra izany. Tsy nahagaga raha toa ka nasehon’ireo mpanoratra malagasy bantsilana tao amin’ny tantara foronina ireny. Araka izany, loharano lehibe nanovozan’ireo mpanoratra ireo ny tantara araka izany ny toe-javatra niainany. Mbola manamafy izany i ANDRY ANDRAINA ao amin’ny bokiny raha nanolotra ilay boky Mitaraina ny tany izy manao hoe: Ny tapatapany amin’ny tantaram-pirenena iankinan’ity lahatsoratra ity dia maneho zava- marina avokoa 165 .

Toy izany àry ny endriky ny fampijaliana sy ny fanararaotana nampiharina tamin’ny vahoaka malagasy tamin’ny andron’ny fanjanahantrany. Azo ambara ho nijaly tokoa ireo olona niaina tamin’izany vanim-potoana izany ary mbola nanaporofo izany ny mpanoratra malagasy teto. Nandona mafy ny hambom-pon’ny Malagasy ireny toe-javatra ireny koa tsy nahagaga raha nitsiry tao anatiny ny fitiavan-tanindrazana.

164 BOITEAU (P) , op cit, « L’ oppression culturelle s’ est fait sentir dans tous les domaines : la presse, la littérature, le théatre, les arts. » p304 165 ANDRY ANDRAINA, op cit Teny fampidirana p 5 138

2.2- Ny endriky ny fitiavan-tanindrazana

Araka ny hita tany amin’ny fizarana valohany dia hita fa nandalo fotoan- tsarotra ny fiainam-pirenena nanomboka tamin’ny taona 1896 izay nidiran’ny mpanjanatany frantsay. Lasa zanatany frantsay mantsy i Madagasikara tamin’ io taona io ary niaina teo ambany fifehezan’i Frantsa. Nihamafy hatrany izany ary niseho daholo ireo tsy rariny tamin’ny fitondran’ny mpanjanaka. Fampijaliana maro isan-karazany no niaretan’ny Malagasy tamin’ireo mpanjanaka. Tsy nandalo fe nandalo fotsiny ireny toe-javatra ireny fa nisy akony tokoa. Anisan’izany ny fitsanganan’ireo fikambanana na antoko politika maro mba hanohitra ny zava-misy. Taorian’ny ady lehibe faharoa tokoa mantsy no tena nahitana ny fitsanganan’ireo antoko politika maro, anisan’ ireny ny PANAMA, ny MDRM …, Nijoro izy ireo mba hanohitra ny fitondram-panjanahantany. Noho izy ireo antoko samihafa dia samy nanana ny foto-kevitra nijoroany sy ny sori-dalana narahina izy ireny saingy ny tanjona dia iray ihany dia ny “fahaleovantena ho an’ i Madagasikara ”. Izany no nisy dia teo aloha ny fahalemen’i Frantsa tamin’ny ady izay nataony ka nahatonga saina ny zanatany. Nanampy trotraka izany ny fahitana ireo tsy rariny maro isan-karazany nihatra tamin’ny vahoaka malagasy. Nahatsapa ny Malagasy fa efa tsy rariny intsony ny ataon’ny ireo mpanjanaka ka dia nijoro izy hitaky ny fiandrianam-pireneny. Izany no zava-nisy koa tsy nahagaga raha toa ka nirongatra ny ambom-pon’ireo Malagasy tia Tanindrazana. Namela dindo teo amin’ny sehatry ny literatiora malagasy ireny rehetra ireny ka indro nasehony mpanoratra ao amin’ny asasorany. Lasa laharam-pahamehana teo amin’ny mpanoratra ny tara-kevitra momba ny fitiavan-tanindrazana noho ny tsy rariny nataon’ireo mpanjanka an’i Madagasikara. Endrika maro no anehoan’ny mpanoratra izany saingy azo fintinina amin’ireto lafim- piainana telo ireto.

139

2.2.1-Teo amin’ny lafiny fitondrana:

Nahery vaika ny tolona ho an’ny fahaleovantenam-pirenena toy izay ventesin- dry Solo sy Ravalo ary Rakoto. Ireo mpandray anjara ireo no mpitondra tenin’ny vahoaka malagasy eto ary miaritra ny fampijaliana maro isan-karazany. Tsy nilavo lefona anefa izy ireo na dia maro aza ny fampijaliana natao taminy. Namoizany ny ankohonana , sy ny mpiara-monina, niaretana ny mafy tany am-ponja …Ireny rehetra ireny dia endriky ny tolona nataon’ ireo tia tanindrazana malagasy toa an-dry Ravoahangy, Raseta, Ravelojaona,.. fa indrindra fampahatsiahivana ny tolona izy nataon-dRALAIMONGO; Ralaimongo izay loharano nipoiran’ ny tolom-panafahana ventesin’ny gazety Imongo Vaovao.

“Ralaimongo lehity nanohitra ny fampahoriana ataon’ny Vazaha ny Malagasy ary niady tamin’ny voanjo sy lehiben’ny distrika maro , nitolona hoan’ny fahafahana an’i Madagasikara ! Impiry nogadrana izy nefa isaky ny nivoaka dia nanao ihany indray . Raha tsy maty izy , tsy hijanonana izany” Mitaraina ny tany” 166

Manampy izany, namela tantara lehibe eo amin’ny tantaran’i Madagasikara izy noho ny tolona lehibe nataony tamin’ny 1929 izay niantsoantsoana ny fahaleovantena ho an’i Madagasikara. 167 Koa tsy mahagaga raha toa fitiavan-tanindrazana goavana no hita ho misongadina ao amin’ny tantara. Koa eto dia i Ravalo sy iSolo no idealy amin’izay tolona izay:

“- Tsy hanosika anareo vazaha anie akory Tompokolahy no tarigetranay, hoy izy.Tsy hanamontsana ho tavilotra ny vilanibe nanatoana izahay. Ny takianay amim- pahendrena dia ny zo aman- tsatanay norombohanareo teo am- pelantana- dRanavalona fahatelo” Avotry ny rafy lah 70

166 ANDRY ANDRAINA, op cit p. 134 167 BOITEAU op cit “ La manifestation du 19 mai 1929 a marqué le début de la lutte pour l’independence” 345 140

“Mahatehidera rangahy iny zanakao iny, hoy izy, kanefa mampanahiran-tsaina ny mieritreritra azy(…) Mahatehidera hoy izy satria tsy mety kivy ? Nisy fantatro niaraka voatohina taminy tamin’ireny raharaha ireny kanefa izany no tonga amin’ny fitenenana hoe: leom-boananana omaly ka tsy tia zava- boribory (…) Ny zanakao anefa ity …” “Izaho ve no diso” lah 65

Fehiny, io tara-kevitra io araka izany dia misy ifandraisany betsaka amin’ny foto-kevitra ijoroan’ ny gazety andaniny ary amin’ny zava-nisy ara-piarahamonina ankilany. Ny gazety izay nanana ny loharano nipoirany dia ny tolona nataon’i Jean RALAIMONGO ary eo ihany koa ny tolona nataon’ireo tia tanindrazana malagasy tamin’ny 1947.

2.2.2- Teo amin’ny lafiny sosialy:

Anisan’ny endriky ny fitiavan-tanindrazana ny fanampiana ireo mpiara-belona amin’ny tena, izany dia miseho amin’ny alalan’ny endrika maro samihafa toy ny nataon’i Jaonary tany Ambohitraivo na ny nataon’i Mily tamin’ ireo namany. Fa endrika iray lehibe tamin’ ireny ny fanehoana ny fihavanana malagasy. Izany dia hita taratra eo amin’ny fiainana andavanandron’ny olona dia ny asa aman-draharaha. Ohatra amin’ ireny ny fanampiana ireo tantsaha, fitsimbinana ny hafa toy ny fanamboarana ny fomba fanakarana mba tsy hahafaty antoka intsony ireo tantsaha ary mba hanafoanana ny karazam-panandevozana izay nampiharin’ny mpanjanaka Toy izao no fomba fisainan’i Jaonary manoloana ireo sahirana tsy misy mpiahy:

“ …Ny fahalalako izany rehetra izany dia vao mainka nampitombo ny fitiavako mikarakara an’i Pendo.Raha mbola misy koa zavatra azoko natao ho azy dia nataoko” “Ny fahatezerany”.lah 16

Fa ohatra iray mivaingana amin’ireny koa Ravalo izay niezaka nitaiza ireo tantsaha ka nampianatra azy momba ny fivoaran’ny fiainana. Izy ilay nantsoina hoe: “sakaizan’ny tantsaha”; izany hoe, niezaka nampianatra ny tantsaha izy ary azo ambara ho namana akaiky tokoa satria manorotoro sy mitaiza izy. Izany rehetra izany no anjara asa ataony amin’ny tantsaha. 141

Toy izao no fanehoan’ny tantara izany:

“ Toy inona moa ny hafalian-dry Rainibozimavo sy ny namany rehefa tonga hifanakalo hevitra aminy ity Ramose “sakaizan’ny tantsaha” “Avotry ny rafy”

Toy izao no zavatra hataony amin’ izany:

“Hararaotiny amin’ireny famangiana ireny ny fanatsarana ny fiainan’ny tantsaha, ny siansa tsotra sahaza ny besinimaro… avy eo dia mitsabo amin’ny fomba tsotra ireo tsy salama” “Avotry ny rafy

Hita taratra amin’izao fa nisy ezaka maro natao mba hanatsarana ny fiainan’ny tantsaha ka ireo nahazo fahalalana na niasa tany ambanivohitra tany dia mba nanao izay ho afany amin’ny fanorotoroany ny tantsaha. Ireny olona ireny no voatondro fa mpitarika ny tantsaha hanohitra ny rafi- pitondrana nisy ary mazàna dia saika niharan’ny tsy rariny. Ohatra amin’izany ny famindran-toerana, ny fanagadrana , sns …Ezaka tsotsotra fanampiana ny tantsaha toy izany dia efa endriky ny fitiavan-Tanindrazana teo amin’ireo mpitari-tolona malagasy.

2.2.3- Teo amin’ny lafiny kolontsaina :

Namela dindo teo amin’ny Malagasy ny zava-nisy niainany; anisan’ny tena namahavaha ireny ny mpanoratra. Izy mantsy no mpandika tenin’ny fiarahamonina. Noho izany, samy nanao izay ho afany sy izay tandrify azy ny tsirairay; ny antoko politika dia nitaky amin’ny maha antoko azy, ny olon-tsotra dia naneho amin’izay fomba ho azy manokana, fa tsy latsa-danja tamin’ ireny ny mpanoratra malagasy izay dinihintsika eto toa an-dry Rose valisoa, ry RATSIFANDRIHAMANANA Clarisse, ry RATSIFEHERA Arsène …

142

Teo amin’ny asa soratr’ireo mpanoratra ireo dia saika nahitana io foto-kevitra voalaza etsy ambony avokoa. Raha atao indray mijery ireto asa soratra ireto dia efa endriky ny fitiavan-tanindrazana noho izy maneho ny hakanton’ny literatiora malagasy tao anatin’ny vanim- potoana nanjakan’ny kolontsaina vahiny. Iaraha- mahalala mantsy tao anatin’ny fanjanahantany dia nahery ny sivana Ireto mpanoratra ireto araka izany dia nanao ezaka goavana amin’ny fikarakarana ny literatiora malagasy, tao ireo niezaka namelona izany toa an-dry ANDRIAMPARANY, Arsène RATSIFEHERA ary tao kosa ireo nanamafy izany toa an-dry RATSIFANDRIHAMANANA Clarisse. Araka izany, anisan’ny endriky ny fitiavan- tanindrazana ny fiezahana hamerina ireo kanto malagasy ka voalohan-daharana amin’ ireny ny teny malagasy, ny fampirantiana ny literaiiora Malagasy, ny taozavatra malagasy araka ny voalaza ao amboaran- tononkalon’i Arsène RATSIFEHERA manao hoe: “…Izany fitiavana sy fanajana ny teny malagasy izany, dia taratry ny fitiavan- tanindrazana” 168 Fa tsy misy teny afa- mampandroso ny tany iray afa-tsy ny tenin- drazany ihany 169 Araka izany dia ny momba ny teny malagasy sy ny literatiora Malagasy no horesahina manaraka eto. Nahatsapa ny mpanoratra fa toa mivahavaha be ihany ilay fomba fisainana malagasy indrindra fa ny kolontsaina ao anatin’ izay ny teny malagasy. Nanao ezaka ny mpanoratra mba tsy hahasimba ilay tontolo malagasy ka anisan’izany itony tantara foronina itony.

Endrika roa no isehoan’ny fanehoan- kevitra amin’ izany: ny voalohany dia ny fampisehoana avy hatrany fa manana ny maha izy azy ny teny malagasy ary manana ny andrareziny toa an-dry RAVELOJAONA , ary ny fampirantiana izany mivantana toa ny hita tao amin’ny “ Avotry ny rafy”. Faharoa dia ny fanehoana ankolaka ny hevitra ka amin’ny alalan’ny fanehoana vokatry ny fandrosoana no itarafana na tsara io na ratsy araka ny hita ao amin’ny “ izaho ve no diso” Tsara ny manamarika fa niara-dalana tamin’ ireny famolavolavana toe- tsaina ireny ny fisintonana ny Malagasy hiverina an- tanindrazana ary hikarakara izany satria tsy voatery hiankina amin’ny mpanjanaka isika fa manana ny tanindrazantsika tsirairay avy izay afaka manampy antsika satria ao no misy ireo lova navelan’ny razana.

168 RATSIFEHERA (A): “…Fa tia ahy ianao .no tiako ry vahoakako!” p 3 169 ANDRIAMANANTENA (G), op cit p 18 143

Iaraha-mahalala rahateo ny fitobahan’ny fandrosoana teto Antananarivo renivohitra izay ivon-toerana nisy ny mpitondra sady ifaneraseran’ny lafy valon’ny nosy ka nanimba ny fomba fisainan’ny Malagasy amin’ny ankapobeny. Ireny rehetra ireny dia endriky ny fitiavan-tanindrazana avokoa, izany hoe, fampisehoana sy fanidraindrana ny tsaran’ny tena. Toy izany raha vahavahana ny endriky ny fitiavan-tanindrazana voizina ao amin’ny tantara izay tarafina avy amin’ny zava-nisy teto Madagasikara .

Raha aravona izay voalaza rehetra izay dia tsapa fa misy ifandraisany tokoa ny tantara foronina sy ny tantaram-pirenena araka ity haitsikera nampiharina ity. Tsy zavatra roa samihafa fa vaingan-javatra roa mifampiankina ary indrindra mifameno ireo. Manamarina izany i Esther RANDRIAMAMONJY manao hoe: “Ny tantara foronina dia sarim-piainana nisy na mety ho misy atsangan’ny mpanoratra, arafiny sy arindrany hanana ny endriky ny fiainana tena nisy ary anasongadinana ny kanto sy ny marina” 170 . Ny literatiora, amin’ny mahaliteratiora dia mameno izay tsy ampy ao amin’ny tantara, ka inona moa fa ilay tsy ampy ao amin’ny tantara fa tsy ny ohatra. Araka ny voalaza ao amin’ny teny fampidirana ny tantara foronina “ Ny veloma izay napetrany ” manao hoe: “ Mety hahagaga ny maro amintsika ihany angamba ny mandre fa any ampitan-dranomasina any, ny mpanoratra tantara (historien) dia matetika mindrana izay voasoratry ny mpanoratra tantara foronina ( romancier).171 Ny tantara dia mety ho lafiny teorika ihany araka izany fa ny endri-piarahamonina izay asehon’ny literatiora no manamarina izay voalaza ao. Araka ny tenin’i E D ANDRIAMALALA manao hoe: “ Ny tantara foronina dia tantara noforonina, nefa na noforonin’ny eritreritra aza dia tsy maintsy miompana amin’ny zavatra misy sy marina” 172 .

170 RANDRIAMAMONJY Esther, Rary kanto, 1995 p 7 171 RATSIMBAZAFY (G), op cit, p 5 172 ANDRIAMALALA (E D) nalaina tao amin’ny Aingam-pivoarana , lah 6, p 4 144

Io fitiavan-tanindrazana io araka izany no foto-kevitra heverin’ny mpanoratra fa nanan- danja teo amin’ny fiarahamonina malagasy taorian’ny ady lehibe faharoa ka nanokanan’ireo mpanoratra pejy. Manamarina izany i Lucille RABEARIMANANA manao hoe: saika nahitana fitakiana daholo ny sehatra rehetra teo amin’ny fiainana saingy ny famahana ny olana eo amin’ny fitondrasa no tena vahaolana amin’izany 173 Mbola hamarinin’ ireo mpandinika tantara izany ka hoy izy: ny taona 1947 no ivon’ny fitiavan-tanindrazana teo amin’ny Malagasy 174 .

Fa na izany na tsy izany, tsy ary mitovy fomba fisainana avokoa ny Malagasy rehetra manoloana ny fanjanahan-tany. Noho izany, nisy ihany ireo tsy nirona tamin’ io fiheverana io fa nitady zavatra hafa. Nisy ireo nandova ny toe-tsain’ny vahiny ka nanome vahana ny vola sy ny voninahitra ka tsy nijery intsony ilay mahamalagasy azy.Izany toe-javatra izany no nahatonga ny fisaraham-bazana teo amin’ny fiarahamonina Malagasy. Ny momba izay no hojerentsika manaraka.

2.3- Fivakisan’ny fiarahamonina:

Nanova ny teo- tsaina malagasy ny fidiran’ny frantsay teto Madagasikara, ka ao ireo niezaka nitana ilay maha malagasy fa ao kosa ireo niofo ho vazaha ka nirona tamin’ ny fitiavam-bola sy voninahitra. Izany rehetra izany dia anisany nampivaky ny fiarahamonina teto Madagasikara. Asehon’ny mpanoratra ao amin’ny tantara foronina izany fisaraham-bazana teo malagasy izany ka eto dia ny mpandray anjara no ahazoana mitarafa izany .Izany hoe, azo atoko ho roa lehibe ireo mpandray anjara tao amin’ny tantara. Voalohany dia ireo mpandray anjara nanana ambom-po hanohitra ny tsy rariny eo amin’ny fiarahamonina; ny faharoa kosa dia ireo mpandray anjara nanankina ny fiainany tamin’ny mpitondra.

173 RABEARIMANANA (L), op cit : «L’amélioration de conditions de vie de la masse des autochtones, l’élévation de la production économique, l’instaurarion progressive de l’ enseignement supérieur à Madagascar , toute ces revendications sont fondées. Mais la seule voie pour les satisfaire : c’est le reglement du problème politique malgache » 174 LABATUT & RAHARINARIVONIRINA, Madagascar étude historique , Editons Natan Madagascar : « Le soulèvement de 1947 marque le sommet des souffrances : le nationalisme malgache s’affirme à la face du mondr » p 179 145

Toy izao no hita ao amin’ny tantara “ Izaho ve no diso ” “Tsy inona no betsaka ao aminao Ramanda fa ny fitiavan- tena, hoy izy, tsy te hovoaelingelina amin’ izay noheverinao ho fiadanana ianao hany ka nanakimpianao maso rehefa nataonao fa mahatohintohina anao.Ary lalina fa na dia ny zanakao taty an- trano aza dia nanakimpianao maso koa”

“Ny famaranana azy dia efa nolazaiko teo, hoy Solo, TSY MIFANARAKA NY HEVITSIKA”

Hitantsika amin’ izao ny tsy fifanarahan- tsaina eo amin’ny mpandray anjara. Hita fa samy manana ny foto- kevitra itondrany ny fiainany ny mpandray anjara eto. Inoana fa vokatry ny fifandonan’ ny kolontsaina malagasy sy ny frantsay no nahatonga izany. Tsahivina fa vanim-potoana fanjanahan- tany no resahintsika eto. Tao anatin’ izany indrindra no nikosehana ny kolontsaina malagasy amin’ny ankapobeny andaniny, fa nosoloina ny an’ny frantsay kosa ireny tetsy ankilany. Ny fiteny, ny fihetsika, ny fihaingo dia nampianarina mivantana , fa teo amin’ny teo- tsaina kosa dia niezaka naka tahaka ny Malagasy. Nifandona tao araka izany ny kolontsaina Malagasy sy ny kolontsaina vahiny. Nanova zavatra maro teo amin’ny Malagasy ny fifandonan’ny kolontsaina malagasy tamin’ny kolontsaina vahiny. Anisan’ny nisongadina tamin’ ireny fomba fisainana. Maneho izany indrindra ny ao amin’ny boky Fanagasiana : “ Tamin’ny zavatra rehetra nananan’ny Malagasy, dia ity no ahitana faharavana betsaka indrindra noho ny setrasetran’ny fanjanahantany” 175 . Maro ireo lafin-javatra nezahin’ny mpanjanaka novana tamin’ny fanjanahatany ka anisany tena nilofosany dia ny hanovana ny fomba fisainana sy ny fomba fiaina. Naseho tamin’ny Malagasy ohatra fa vitan’ny vola avokoa ny zava-drehetra ary dia natao izay fomba rehetra ahitana vola. Nosoloana ilay ohabolana malagasy ka aleo very tsikalankalam-pihavanana toy izay very tsikalakalam-bola araka ny nambaran’i ANDRIAMANGATIANA (I P ) tao amin’ny Vakivakim- piainana . Mbola manamarina izany EDA “ Ny vola no fiasana nahery vaika indrindra nentin’ny mpanjanantany nandravaravana ny fiaraha – miaina malagasy” 176

175 ANDRIAMALALA (E D), Fanagasina p 41 146

Lasa ny fitiavam-bola no nanjaka tao amin’ny Malagasy; nanampy trotraka izany, fampiharihariana ny fomba ratsy nataon’ ireo mpanjanaka mba hahazoana vola ka nianaran’ireo antokon’olona sasany izany; ohatra amin’ ireny ny fanararaotana sy ny fanambakana amin’ny endriny maro samihafa. Nahay naka tahaka tokoa ny Malagasy koa tsy nahagaga ka vetivety foana dia difotry ny kolontsaina vahiny ny fomba amam-panao malagasy ao anatin’ izany ny fisainana. Nandaitra avokoa ireo endri-pandrosoana nentin’ny vahiny ireny ary tsy vitsy ireo niofo ho vazaha. Anisan’ny nisongadina tamin’ ireny ohatra ny fianakavian-dRahaingo ao amin’ny “avotry ny rafy”.Koa raha milaza fivakisan’ny fiarahamonina isika dia anisan’ izany ny foto- pisainana. Nezahina namboarina nanaraka izany ny fomba fihetsika ivelany, anisan’ ireny ny fomba fanao, ny fomba fiakanjo ary fomba fiteny sy ny maro hafa. “Nanjary eritreritra mitaiza ny malagasy tsirairay avy io faniriana handika lalàna io, tahaka ny faniriana te-ho olona ambony sy manankarena” 177

Toy izany amin’ny ankapobeny ny zava-nisy andavanandro nianinan’ny antokon’olona sasany tamin’ ity vanim-potoana ity. Latsaka lalina tao an-tsain’ny Malagasy sasany ny fitiavam-bola ka dia tsy nampaninona azy ny nanova ny fomba maha malagasy azy izay anenjehana azy rahateo. Sarotra kosehina tokoa izany na dia efa tafiditra tao anatin’ny vanim-potoan’ny fahaleovantena ary isika ; Tamin’ny sasany tokoa mantsy: “ny atao hoe “Fahaleovantena ” dia fiofona ho vazaha ara-pomba, ara- bola ,ara- pisainana” 178

Rehefa natao ny fandinihina izany toe-javatra izany dia hita fa nizara 2 tanteraka ny fiarahamonina malagasy teto. Andaniny dia ao ireo antokon’olona nijoro tamin’ny maha malagasy azy ka nampiseho izany tamin’ny fomba rehetra fa indrindra ny fitakiana ny fahaleovantenam- pirenena.

176 ANDRIAMALALA (E D) Fanagasiana p 49 177 ANDRIAMALALA ( E D ) Opcit p 51 178 ANDRIAMALALA ( E D ) Opcit p 51 147

Ankilany, maro ireo niova ka nanaraka ny fiovan’ny tantaran’ny Madagasikara, toa azo ambara fa sady tsy malagasy no tsy frantsay noho ny fitiavam- bola sy voninahitra diso tafahoatra. Nanararaotra ny fahefana, nanararaotra ny fiaraha miasa amin’ny vazaha mba hahazoana vola ka namela ny maha malagasy azy fa nifindra lasy, izany mantsy no hahazoam- bola sy voninahitra. Anisan’ireny Rahaingo ao amin’ ny tf5 Ohatra iray mivaingana tamin’ ireny Rahaingo “ Avotry ny frafy”

“Inona akory izay mpampianatra ? hoy aho. Mitsidi- bohitra ireny, ankizy boretra no manao sapaoritra azy. Rahefa tsy ho dokotera ihany, tsy aleo manao ny asan’ny goverinera.Ireny manampahefana ireny: mandalo tolorana akoho; mitaky hetra , hamoriana atody; vangiana am- birao , tambazan – bolikoly.”

“Isan- kariva no nampianarako sivilisasiona azy telo mianaka (…) nozaraiko telo ny lesona momba ny sivilisaziona nampianariko an-dry Maman Jaunie: -Ny fahalalam-pomba ankapobeny - ny dihy sy ny hira - ny fahaizany teny baiko ”

Anisan’ireny ihany koa Rainijery raha nampiasa ireo olona sahirana izy. Moa tsy ilay fomba fiasan’ny mpanjanantany no nataony

“Soavaly vahiny ety tokoa ialahy ry Jaonary, hoy izy ka tsy mbola nahalala izay tokony hatao. Ary soa ihany fa eto aho anorotoro an’ialahy (….) Ny ampahatelon’ny vokatra lehity no omena izay miasa ny tany .” “Ny fahatezerany ”

Izany rehetra izany dia ahatsapana fa niova tokoa ny fomba fisainan’ny Malagasy sasany teto. Tsy nahagaga izany fa azo ambara ho nahery vaika koa ny rivo- pandrosoana nentin’ny mpanjanaka. Nahaliana izy ireny saingy tsy voafehy ka nibirioka tany amin’ny tsy izy.

148

Simba araka izany ilay toe-tsaina malagasy hany ka na ny izay mahagasy ny gasy dia novana avokoa: “Miharihary ohatra ny kary am-pamoloana aloha dia fiheverantsika ny zavatra malgasy ho ratsy avokoa ary ny zavatra vahiny ho tsara avokoa” 179 . Toy izao ohatra no hita teo amin’ny fianakavian- dRahaingo : “Vao nanaiky ny fangatahakoa i Nirina dia nanova ny fihetsiny sy ny fombany ho vazahazaha …Nasaiko notapahiny ny volony ary nariany ny lambany. Tsapako gasy loatra ny anarany ka novako hoe: Nirinah, ny reniny kosa nangolaiko tamin ‘ny hoe: Maman Jaunie (fandikana ara-bakiteny ny hoe Ramavo) Ny rainy nantsoiko hoe “ papa Rambel” hatramin’ ny vavonin’ izy mianakavy dia nozariko sakafo vazaha” lah 29- 30

Io toe-javatra ireny dia natao hampisehoana amintsika fa nanova zavatra maro teo amin’ny Malagasy sy ny fiainany ny fanjanahantany. Anisan’ny tena niharan’izany ny toe-tsaina malagasy hany ka simba tanteraka ilay fiarahamonina malagasy. Raha atao indray mitopy maso dia ny vokatra ratsy no mavesa-danja kokoa raha miresaka fanjanahantany isika . Tsy nitondra voka-tsoa ho antsika ny fandovana ny toetry ny mpanjanaka. Jereo ohatra no niafaran-dRamanda “Izaho ve no diso ”na Rahaingo ao amin’ny “Avotry ny rafy” Ny hany tokana azo amintinana azy dia ny hoe: “ voatototry ny vola ny rariny” 180 Araka izany, ireo tantara ireo dia natao hampisehoana izany ka anjaran’ny mpamaky no misintona izay anatra horaisina.

Raha atao bango tokana izay voalaza rehetra izay dia hita fa niompana tamin’ny fiaimpiainan’ny Malagasy tao anatin’ny fanjanahatany. Tao anatin’izay no nahatsapana fa nizara roa tanteraka ny Malagasy teto. Andaniny, ao ny fiarahamonina tena malagasy izay nahitana ireo mpitari-tolona ho amin’ny fahaleovantenam-pirenena ka niaritra ny mafy noho izany foto- keviny izany . Ankilany dia ny fiarahamonina malagasy sadasada izay nahitana ireo olona mpiara-miasa amin’ny vazaha ka nitango betsaka tamin’ny vola sy voninahitra tamin’izany .

179 ANDRIAMALALA (ED), Fanagasiana p 42 180 ANDRIAMALALA, op cit, p 50 149

Raha aravona izany dia hita fa namela dindo lehibe teo amin’ ny toe-tsaina malagasy ny fidiran’ny fanjanahantany teo amin’ny firenena malagasy. Niara-nanjavona tamin’ ny fiandrianan’i Madagasikara mantsy ny fomba fisainana tena malagasy sy ireo kolontsaina mahamalagasy rehetra. Toa tsy hita intsony ny fahamarinan’ ilay ohabolana malagasy manao hoe:“ ny hatsembohan’ny tavanao ny hihinananao”. “Tsy tongatonga ho azy izany fomba fisaina izany” 181 fa ao dia ao tokoa ny loharano niteraka azy dia zava-nisy. Tsapa araka izany fa ny fidiran’ny riba vahiny marobe dia anisan’ny antony iray nanaovan’ny olona ny vola ho zava-dehibe eo amin’ny fiainana.. Amin’ny ankapobeny dia sarin’ny fiainan’ny Frantsay mpanjanaka sy ny Malagasy zanahina no hita ao amin’ny asasoratr’ireo mpanoratra ireo, izany hoe, ny fifanoherana sy ny tsy fitoviam-pijery teo amin’ny roa tonta no asehony eto. Andaniny, ao ireo mpandray anjara feno hery: hery ara-bola na hery ara-pahefana izay sarin’ny mpanjanaka, ankilany ao ireo mpandray anjara niaritra ny mafy noho ny fanaparana fahefana ataon’ny mpanjanaka . Nahatsiaro saina noho izany rehetra izany ity faharoa ka nitsangana hanohitra ny tsy rariny ary hitaky ny zony.

Fa nanampy izay, ao ireo nanao ezaka teo amin’ny sehatry ny kolontsaina, samy niezaka hahaleotena avokoa ireo sampana isan-karazany, teo amin’ny sehatry ny fampianarana dia nokianina ny fampianarana amin’ny teny vahiny; ny sehatry ny literatiora izay nezahin’ireo mpanoratra na dia nahery aza ny sivana. Ireny rehetra ireny dia taratry ny zava-nisy avokoa . Izay momba ny fahavakisan’ny fiarahamonina fa andeha hiampita amin’ny lohahevitra manaraka isika.

181 ANDRIAMALALA, op cit, p 42 150

2.4-Ny fahadisoam-panantenana :

Taorian’ny fivakisan’ny fiarahamonina dia niventso ny tarakevitra “fahadisoam- panantenana” ihany koa ny mpanoratra malagasy. Mipetraka ary ny fanontaniana manao hoe: Nahoana ? Tantaran’i Madagasikara no asehon’ ireto tantara ireto, izany hoe, ny vanim- potoana lehibe nolalovany sy ny zava-nisy ao anatiny ao, ka asehony amin’ny alalan’ny soratra. Tsy mahagaga raha lasa tarakevitra iray lehibe ao amin’ny tantara foronina ny fahadisoam-panantenana.

Tsahivina vetivety fa vanim-potoana roa lehibe no nofakafakaintsika tato amin’ity fikarohany ity dia ny vanim-potoana 1938-1960 ary ny 1960-1972. Amin’ny ankapobeny dia saika efa voaresaka teo aloha avokoa ny momba ny vanim- potoana voalohany izay namelaberana ny momba ny endri-pamoretana tamin’ny fanjanahantany; ny endriky ny fitiavan-tanindrazana ary farany ny fivakisan’ny fiarahamonina malagasy. Eto kosa indray isika dia hifantoka tanteraka amin’ny vanim- potoana faharoa dia ny 1960-1972. Tantara foronina roa tamin’ ireo fito nanaovana fandinihana no miresaka ity vanim- potoana ity. Asehon’ny mpanoratra mivantana ao fa vanim-potoana lehibe tokoa ity fakafakaina ity; teto mantsy no niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara rehefa nandalo tolona lehibe izany. Dia nitohy tamin’ny fitsanganan’ny repoblika voalohany izany. Hitantsika amin’izany fa tantara tsy maty ao an-tsain’ny malagasy ity resahintsika ity kanefa nahoana no fahadisoam-panantenana no misongadina amin’izany?

Antony roa no azonay aroso mba hamaliana izany koa andeha hidirana tsirairay ireo.

151

2.4.1-Antony ara-pitondrana:

Iaraha-mahalala fa ny taona 1960 no nahazoan’i Madagasikara indray ny fahaleovantenany izay nongotan’ ireo Frantsay mpanjanaka tamin’ny taona 1896. Hafaliana lehibe tokoa no nandraisan’ ny Malagasy izany kanefa hafaliana nandalo ihany izany fa ny fahadisoam-panantenana no nitoetra. Tsy mahagaga izany satria rehefa tafatsangana ny repoblika voalohany dia olona efa voavolavolan’ny Frantsay no napetraka teo. Mazava ho azy araka izany fa ny fombafomban’ireo mpitondra teo aloha ihany no naveriny na mety niova endrika fotsiny. Saika ny rafitra frantsay avokoa mantsy no nampiharina teto; mbola nahitana frantsay avokoa ireo sampan-draharaha isan-karazany. Azo fintinina hoe: ny mpitondra no malagasy fa ny fomba nitondrana dia mbola ny an’ny frantsay avokoa no narahina.

Maneho izany indrindra i Lucile RABEARIMANANA manao hoe: Niankin- doha tamin’ny mpanjanaka hatrany i Madagasikara; tsy tamin’ny fanjanahantany ihany fa hatramin’ny repoblika voalohany 182 Vokatr’izany, diso fanantenana tanteraka ny vahoaka raha nahita izato fombafomban’ny mpitondra. Manamarika izany fahadisoam-panantenana izany ny fitotonganan’ny repoblika voalohany tamin’ny 1972 183 . Manampy izany, nihevitra ny vahoaka fa ray aman-dreny azo italahoana ny fanjakana amin’ny fahasahiranana mahazo ny tena. Tsy izay anefa no niseho fa dia hita tokoa fa toa ray aman-dreny tsy azo ianteherana izy, eny fa na dia sorona ho azy ary ny tolona natao. Mbola niray petsapetsa tamin’ny fitadiavana tombontsoa ho an’i Frantsa hatrany mantsy ny mpitondra tamin’ izany 184 . Nahatsapa ho sahirana tokoa ny vahoaka manoloana izany fihetsiky ny fanjakana izany. Tsy nisy na dia kely aza fijerena ireo mpitolona tamin’ny 1947.

182 Actes de colloque, op cit : « Le pays Madagascar) est voué à une dépendance vis-à-vis de celle-ci non seulement pendant la colonisation mais aussi sous la prèmiere republique » p 111 183 Actes de colloque, op cit : « Les grèves de 1972, qui deboucheront sur la chutede la premiere republique » p 113 184 Encyclopedie ANCARTA 2009 « Le president Tsiranana, critiqué par la population par son soutien aux interêts francais » 152

Toy izao indrindra no hita ao amin’ny tantara:

“ Saingy toa tsy mba nihatra mivantana teo amin’ny fiainana ny fahatanterahan’izany (Fahaleovantena)” “Ny tantaran- dRakoto ”

Toy izany ny fihetsika nasehon’ny fanjakana raha tonga ny fahaleovantena, koa tsy mahagaga raha nandiso fanantenana tanteraka ireo vahoaka. Nandona fo loatra ireny toe-javatra ireny ka lasa raiki- tapisaka tao an-tsain’ny maro, indrindra indrindra ny mpanoratra malagasy. Manaporofo izany fahadisoam-panantenana izany indrindra ny tolona nataon’ireo mpianatra dokotera tamin’ny 1972. Raha fehezina izany rehetra izany dia araka ny nambaran’i Lucile RABEARIMANANA manao hoe: tsy nisy zavatra niova taorian’ny fitsanganan’ny repoblika.voalohany noho ny fifanaraham-piara-miasa teo amin’ i Madagasikara sy Frantsa 185 . Tsy nahagaga raha toa ka fahadisoam-panantenana no nandimby ilay tolom-panafahana Izay ny antony teo amin’ny fitondrana fa andeha hojerena kosa indray ny antony ara-piarahamonina.

2.4.2-Antony ara-piarahamonina Nahitana fiovana be tokoa teo amin’ny fomba fifaneraseran’ny olona andavanandro. Toa hita taratra fa rava ilay fihavanana malagasy satria tsy hita intsony ny fifanampiana isankarazany. Samy miolonolona ny olona ka samy manilika ny eo an- tokonany. Tsapa mantsy fa na ireo mpiara-belona na ny havana na ny namana, eny fa dia ny vady ao an- trano aza dia toa nanana fisainana hafahafa koa tsy nahagaga raha toa niteraka fahadisoam-panantenana izany . Toy izany ny zava-nisy koa tsy nahagaga araka izany raha toa ka lasa ambetin-dresaka ato amin’ ity vanim-potoana ity ny fahadisoam-panatenana.

185 Actes de colloque, op cit : « L’indépandance de Madagascar ets proclamé le 26 juin 1960 mais, dès le lendemain, son president Philbert TSIRANANA signe des accords de coopération avec la France, consacrant plus d’ une décennie de relation cordiales entre les deux pays. Rien n’est fondementalemnt changé à Madagascar concernant la presence des Français » p 112 153

Raha atao indray mijery dia faharesena no nameno ny fiainan’ny mpandray anjara tamin’ity vanim-potoana ity. Na dia tratra aza ny tanjona dia tsy arakaraka izay noeritreretina ny zava-nisy niainana. Arakaraka ny niheverana hoe: hifankatia ny olona no voa mainka samy niolonolona. Tsy nisy fifanampiana fa samy nanilika ny teo ambavaravarany.

Araka izany, na ireo havana na izay heverina ho ray aman-dreny dia nandiso fanantenana avokoa teto amin’ ity vanim-potoana ity. Tsy nahagaga araka izany raha toa ka nihira ny fahadisoam-panantenana avokoa ireo mpanoratra malagasy tamin’ity vanim-potoana ity. Tsy ireo mpanoratra ireo ihany akory araka izany no nivetso ny fahadisoam-panantenana fa eo ihany koa ireo mpanoratra hafa toan-dry Nalisoa RAVALITERA araka ny hita amin’ny asa sorany manao hoe: “Handingana taona maromaro isika anaka ka izay niseho tamin’ny 1965 (…) Efa nahazo fahaleovantena ny firenentsika anaka. Tsy azonareo an tsaina-mihitsy ity hafaliana sy fanantenana vokatr’izany. Faly satria afaka tamin’ny fitondram-panjanantany ary manantena fa hamiratra amin’izany ny masoandrom-pahafahana : KANJO …” 186 Tsy nahagaga raha toa ka niventso ny fahadisoam-panantenana ny mpanoratra satria nandaitra ny fanjanahan-tsaina nampiharina teto Madagasikara. Mazava ho azy araka izany fa ilay saina voavolavolan’ny fanjanahantany no nentina niaina tao amin’ny repoblika voalohany. Manginy fotsiny ny mbola fampidiran’ny Frantsay ireo karazana kolontsaina tamin’ny repoblika voalohany. Iaraha-mahalala rahateo fa mbola i Frantsa no tao ambadiky Madagasikara tamin’io fotoana io 187 . Hamaranana izany dia andeha ho fintinina ao anaty fafana ireo zava-nisy ara-tantara sy ny akon’izany teo amin’ny votoatin’ny tantara foronina.

186 RAVALITERA Nalisoa, Madé … , Antananarivo, librarie Mixte 1985 p 27 -28 187 Actes de colloque, op cit : «Durant ces quelques 40 ans, de 1930- 1972, (…) La France reste le principal interlocuteur de Madagascar » p 114 154

Fafana 7: Ny fifandraisan’ny zava-nisy sy ny vontoatin’ny tantara Zava-nisy ara-tantara Akon’ izany teo amin’ tantara foronina fampiharihariana ireo tsy rariny nataon’ny Endri- pamoretana mpanjanaka nataon’ny mpanjanaka teo amin’ny fiarahamonina Malagasy Lafiny fitondrana • didy jadona, fanandevozana Fanjanahan-tany • Fanambakana ny tantsaha Lafiny toe- karena • Fanararaotana sy fitsentsefana ny Malagasy Fakana ny tanin’ny Malagasy an- keriny

Lafiny fiarahamonina • Fanaparana fahefana amin’ny mahantra. Fanjanahan- tsaina

Lafiny kolontsaina • Fanapotehana ny kolontsaina malagasy

Fitiavan-tanindrazana • Tolona ho amin’ny fiandrianam- pirenena Tolom-panafahana an’i Madagasikara tamin’ny • Fitiavana ireo mpiray rà amin’ny tena 1947

• Fikolokoloana ny any ambanivohitra

155

Fifandonan’ny kolontsaina Fahasimban’ ilay tontolo malagasy malagasy sy ny kolontsaina • Faharavan’ny toe-tsaina Malagasy frantsay tamin’ny fanjanahantany • Fivakisan’ny fiarahamonina malagasy ho roa

Sarintsarim- Fahadisoam- panantenana pahaleovantena tamin’ny • Fahadisoam-panantenana tamin’ny fanjakana repoblika voalohany ( 1960 – 1972) • Fahadisoam-panantenana tamin’ny fiarahamonina

Fafana maneho ny fifandraisan’ny zava-nisy ara-tantara sy ny vontoatin’ny tantara foronina

156

Famintinana ny fizarana fahatelo

Hita teto amin’ity fizarana fahatelo ity àry fa nisy akony teo amin’ny asasoratra ireo mpanoratra ny zava-nisy niainany. Azo ambara fa ny literatiora dia sarin’ny fiainana. Toa marina tanteraka izany voalazan’ny mpanoratra raha ity voka- pikarohana ity no heverina. Na teo amin’ny endrika ivelany na teo amin’ny vontoatin’ny tantara dia nahitana izay fifandraisana izay avokoa.

Tsapa tao anatin’izay famakafakana izay fa namela dindo to an- tsain’ny mpanoratra ny zava-nisy niainany. Andaniny, raha teo amin’ny endrika ivelany no ambara dia hita nisongadina tamin’ ireny ny fahatongavan’ny fandrosoana teo amintsika, anisan’ireny ny fivavahana kristianina, eo ihany koa ny fanjanahantany. Ny teo-javatra naterak’ ireny zava-nisy ireny no asehon’ny mpanoratra ao amin’ny endrika ivelan’ny tantara; anisan’ireny ohatra ny fampiasan’ny mpanoratra voambolana kristianina, ny voambolana frantsay…Ho fanoherana izany no andraikitra noraisin’ny mpanoratra ho fanarenana ny kolontsaim- pirenena anisan’ izany ohatra ny fanoratana tantara foronina izay mampiseho ny fahaleovantenan’ny teny malagasy. Manampy izany ny fanehoan’ny mpanoratra ny kanto malagasy, ohatra ny filalaovana amin’ny ohabolana sy ny oha-pitenenana.

Tao amin’ny toko lehibe faharoa no namelabelarana ny anton’ ny tara-kevitra misongadina ao amin’ny tantara. Maro mantsy ireo lohahevitra novelabelarina ao amin’ny literatiora; tsy mandendeha ho azy anefa ny fisafidianana ireny lohahevitra ireny fa taratra teo amin’ny fiarahamonina avokoa araka ny haitsikera nampiasaina. Raha ny vanim- potoana 1939-1960 sy ny 1960-1972 no jerena dia tara-kevitra telo lehibe no hita nisongadina tao. Rehefa niharan’ny tsy rariny sy ny fanararaotan’ ireo mpanjanaka ny Malagasy ary nanampy tosika azy ny foto-kevitr’ireo fikambanana tsy mankasitraka ny fanjanahantany dia nahazo hery izy, ka indro nijoro, vonona hitaky ny fahaleovatenam-pireneny.

Samy niezaka nanao ny adidy tandrify azy avy ireo olona tonga saina, anisan’ireny ny mpanoratra, ny olon-tsotra, ny mpanao politika. Ireny rehetra ireny dia aravontsika ao anatin’ny fitiavan-tanindrazana avokoa. 157

Tsy ny malagasy rehetra anefa no nanao izay hetsika izany fa nisy ireo nanao ny zavatra hafa ho laharam-pahamehana dia ny vola sy ny vonihahitra. Misy araka izany ireo tsy nankasitra ny tolona noho ny fiaraha-miasa tamin’ny vazaha, izay nahitana tombotsoa betsaka ho an’ ireo antokon’olona ireo. Ireo toe-javatra roa dia heverina fa mifanohitra tanteraka. Raha tsorina dia ny fisaraham-bazana teo amin’ny Malagasy no nisongadina. Izany rehetra izany anefa dia samy niafara amin’ny fahadisoam-panantenana avokoa. Iry voalohany rehefa nanao sorona ny aina tamin’ny tolona dia nahazo izay notadiavina tokoa dia ny fahaleovantena izany . Mampalahelo anefa fa anaram-boninahitra fotsiny izany fa ny zava- nisy niainana dia tsy niova. Itsy faharoa kosa indray dia nahatsapa fa misy fetra ihany ny fehefana ananana ka dia nitotongana ny fiaianany. Fehiny, ireo antokon’olona roa ireo dia niafara tamin’ny fahadisoam-panantenana avokoa ..

Raha atao indray mijery dia hita fa na noforonina aza ireo tantara ireo dia ampahany ihany izany, fa ny vontoatin’ny tantara kosa dia ilay endri-piarahamonina niainan’ny Malagasy ka noraketin’ny mpanoratra an-tsoratra. Toa tsy azo eritreretina hoe nofinofin’ny mpanoratra ireny rehetra ireny raha toa ka mandinika ny tantaran’i Madagasikara isika . Ny hany tokana azo amintinana azy dia ny hoe: Loharano lehibe nanovozan’ny mpanoratra ny asasorany ny zava-misy niainany. Izany rehetra izany no ahafahana milaza fa misy ifandraisany literatiora sy ny tantaram- pirenena . Fa ankoatra ny mahazavakanto ny literatiora dia mpitahiry ny lasa izy ary fitaovana mahomby isarihana ny ankizy .

158

TENY FAMARANANA

Raha fehezina izay rehetra voalaza rehetra tato amin’ity asa fikarohana ity dia hita fa nanana ny anjara toerany teo amin’ ny tantaram-pirenena ny literatiora malagasy araka ireto tantara foronina nalaina tao amin’ny gazety Imongo vaovao ireto. Maro ireo lafin-javatra azo ambara saingy rehefa atao ny fandinihana dia mifototra kokoa amin’ny lafiny politika izany. Tsapa tamin’ izany fikarohana izany fa mifampiankina tanteraka ny tantaram-pirenena sy ny tantaran’ny haisoratra araka ity tsikera nampiasaina ity. Dingana telo lehibe no tsy maintsy nolalovany alohany hanaporofoana izany.

Novelabelarina tao amin’ny fizarana voalohany ny momba ny sehatra nivelaran’ny tantara foronina. Fizarana roa lehibe no entina hanehoana izany, voalohany momba ny gazety Imongo vaovao izay akora fototra nitrandrahana ny tantara. Nofakafakaina tamin’ izany ny tantaran’ny gazety, ny fivoarany, ny tanjona kendreny ary ireo karazan- dahatsoratra voiziny. Amin’ny mahagazetin’ny antoko politika azy dia mamahavaha kokoa ny lafiny politika izy. Na izany aza dia tsy nanao ambanin-javatra ny literatiora malagasy izy, io mantsy no anisan’ny tohan- kevitra amin’ ny foto-kevitra ijoroan’ny gazety. Faharoa, nezahina nofintinina tao amin’ny tapany faharoa ireo zava- nisy ara-tantara heverina fa nisongadina teo amin’ny tantaram-pirenena. Natomboka tamin’ny zava-nisy tany ivelany izany ka niafara tamin’ny teto an- toerana .Vanim-potoana roa lehibe no nezahina nofintinina dia ny vanim-potoana 1945-1960 ary ny vanim-potoana 1960-1972. Marihina fa tsy nosafidiana manokana ireo vanim-potoana ireo fa noho ny vontoatin’ny tantara izay mahasahana vanim-potoana roa lehibe no antony namintinana sy nampahatsiahivana izany.

Tao amin’ny fizarana faharoa kosa no namakafakana ireo endrika ivelan’ny tantara foronina.Na dia tsikera manome vahana ny hevitra aza no nampiharina dia tsy natao latsa-danja velively ny fijerena ireo singa mandrafitra ny tantara. Nizara roa ny fandinihana, ny tapany voalohany no nijerena ireo singa telo lehibe mandrafitra ny tantara dia ny : ny habaka , ny fotoana ary ny mpandray anjara. Fa ankoatra izany dia nezahina nofakafakaina ihany ireo fomba fanehoan-kevitra misongadina tao amin’ny tantara. 159

Ao amin’ny tapany faharoa kosa no anehoana ny hevitra niorenan’ny tantara. Azo aravona ho telo lehibe izany; teo aloha ny famotsipotsirana ireo tsy rariny teo amin’ny fiaraha-monina. Tolom-panafahana mahery vaika no nasetrin’ny Malagasy izany. Na izany aza, tsy hary mitovy fomba fisainana avokoa ny olona rehetra koa dia tazana teto ihany koa ny fiofon’ireo Malagasy sasantsasany. Izany toe-javatra izany no niteraka ny fivakisana ho roa teo amin’ny fiarahamonina malagasy.

Ao amin’ny fizarana fahatelo farany no nampiharana ny haitsikera ara-tantara. Fizarana roa lehibe no hita tamin’ izany. Ao amin’ny tapany voalohany no nanehoana ny fifandraisan’ny endrika ivelan’ny tantara amin’ny zava-nisy. Tao anatin’izany no nahatsapana fa na dia foronin’ny saina aza ny tantara dia tsy ampy ny famoronan’ny saina fa tsy maintsy miainga amin’ny zava- nisy marina izy ireny. Tsy tongatonga ho azy araka izany ny fisafidianana ny anaran’ny mpandray anjara na ny toerana onenany na ny fotoana tantaraina fa taratry ny zava-nisy teo amin’ny fiarahamonina izay onenan’ny mpanoratra. Ankoatra izany na ireo fomba fanehoan-kevitra aza dia tsy inona akory fa ny zava-nisy niainan’ny mpanoratra . Ny tapany faharoa tamin’ity fizarana ity no nampiharana mivantana ny tsikera teo amin’ ny tantara foronina. Naseho tamin’ izany fa misy fifandraisany ny tarakevitra hita tantara foronina sy ny tantaram-pirenena. Ny azo ambara dia izao: namela dindo teo amin’ny sehatry ny literatiora ny zava-dehibe diavin’ny firenena hany ka lasa tara- kevitra nisongadina ao amin’ny tantara foronina ireny.

Anisan’ireny ireto: fampiharihariana ireo endri-pamoretana tamin’ny fanjanahantany izay niteraka ny fitiavan-tanindrazana. Ny fisaraham-bazana teo amin’ny Malagasy ka niteraka ny fivakisan’ny fiarahamonina ho roa ary farany dia ny fahadisoam- panantenana nateraky ny zava-nisy.

Toy izany raha fintinina ny ventin-kevitra novoaboasana tato amin’ ity asa fikarohana ity. Naseho amin’ny taranaka aty aoriana ny tantaran’ny firenena ary faharoa manaraka izany dia natao izao mba hakan’ny tsirairay anatra hitondrany ny fiainana hoavy.

BOKY SY TAHIRIN- KEVITRA

TAHIRIN- KEVITRA MOMBA NY TANTARA FORONINA

NY BOKY AMIN’ NY TENY VAHINY

- BARTHES ( R) , Le degré zéro de l’ écriture . Collection Points, Editions du Seuil, 1953 et 1972

-BOURNEUF et OUELLET ( R ), L’ univers du roman .

Collection Sup., Editions PUF, Paris , 1975

- GENETTE ( G) , Fig III . Editions du Seuil, Paris, 1972, p 224 Collection Sup. Editions PUF, Paris , 1975

- GOLDMANN ( L ), Pour une sociologie de roman , Editons Gallimard, Collection Idées, Paris 1964, 372p

-GOLDMANN(L) , Marxismes et sciences humaines ? St Armand (Cher),Galliard, Paris, 1970

- GEORGES ( J) , Le roman , Editions du Seuil, Collection Peuple et Culture, Paris , 1960, 253p

- MAURIAC (F), Le romancier et ses personnages Coll. Livre de poche, Paris, 1972, 222 p

-MICHAUD ( G), L’ œuvre et ses techniques, librairie Nizet, Paris 1983,

- Yves REUTER, Introduction à l’analyse du roman Bordas, Paris, 1991,

-SARTRE ( J P) Qu’ est ce que la littérature Editions Gallimard, 1948 , 384p

-ZERAFFA (M), Roman et société Collection Sup., PUF, Paris,1971

-WALLEK (R) & WARREN (A), La théorie littéraire Ed du Seuil,collection Poétique, Paris , 1971

-ENCYCLOPEDIE Encarta 2009

BOKY AMIN’ NY TENY MALAGASY

-ANDRIAMANGATIANA ( I P) , Onjam- pilafila, Faribolana IPA, Antananarivo, 2001

-ANDRY ANDRAINA Mitaraina ny tany , Librairie mixte ; Antananarivo 2004 ,

-ANDRIAMALALA (E D) , Fanagasiana Librairie Mixte, Antananarivo, 1974, 59p

- ANDRIAMALALA , (E D) Ilay vohitry ny nofy Librairie Mixte, Antananarivo, 2007, 148p

- ANDRIAMANANTENA (G), Ny teny malagasy fanentanana ny fon’ny Vahoaka amin’ny fampandrosoana ,

« Famelabelarana tamin’ny 24 – 25 jona 1994 tao amin’ny Akademia malagasy »

- RATSIFEHERA (A) , “…Fa tia ahy ianao ..no tiako ry

vahoakako!”

- Régis RAJEMISA RAOLISON , Tononkalo sy lahatsoratra , laharana faha 6

-REGIS RAOLISON(R) , Rakibolana malagasy , 400p

-RATSIMBAZAFY (G) Ny veloma izay napetrany . Ed Takariva , Antananarivo 1979

- RAVALITERA Nalisoa , Made..

Antananarivo , librarie Mixte 1985, 67 p

-RANDRIAMAMONJY (E) . Rary kanto , Antananarivo 1995

-RANDRIAMAMONJY (R). Rary kanto , Antananarivo 1995

TAHIRIN- KEVITRA MOMBA NY TANTARA

-ALTHABE, Oppression et libération dans l’ imaginaire. Editions François M, Paris, 1969, 354p

-BOITEAU (P), Contribution à l’ histoire de la nation

malgache , Édition Sociales, Paris 1958, 445p

-BOITEAU( P), L’ histoire du peuple Malgache in Madagascar . Documents 1 er fascicule n°2 ,1965- 1966.

-RABEARIMANANA (L) La presse d’ opinion à Madagascar de 1947-

1956. Librairie Mixte, 1980, 321p

-RABESAHALA (G) Que vienne la liberté , Editions océan, Coll. Histoire, Ile de la Réunion , 2006,381p

-LABATUT & RAHARINARIVONIRINA, Madagascar étude historique , Editons Nathan, Madagascar, 220p

PASCAL(R) La république malgache ; Editions BERGER – LEVRAUT , Paris , 1965

SPACENSKY (A) , Madagascar 50 ans de vie politique de Ralaimongo à Tsiranana , nouvelle Editions Latine , Paris , 1970.

-IMONGO VAOVAO 55taona , Antananarivo , 2010 p 6

NY GAZETY SY TAHIRIN- KEVITRA SAMIHAFA

- Aingam- pivoarana laharana fahaenina

-RAVELOJAONA, mpanolotsaina 18_ 19 janoary 1908

-RAVELOJAONA, Mpanolotsaina , lah 19 Jolay 1908

-RAVOAJANAHARY (ch) , Fanasina lah 539 Antananarivo1968

-Gazety Fanasina lah 318, Antananarivo 1963

- Gazety Lakroan’i Madagasikara, lah 1646,

Antananarvivo1959.

-Gazety Maresaka lah 5033, 1971.

-Resadresaka tamin’ dRamatoa Gisèle RABESAHALA ,

ny alarobia 21 jolay2010 tamin’ ny 10 ora maraina tao Andravoahangy

- MEMOIRE DE CAPEN. NOROLALAO (L), Iharilanto Patrick ANDRIAMANGATIANA : MPITONDRA TENIN’ NY TANORA TARAFINA AO AMIN’ NY VAKIVAKIM- PIAINANA SY ONJAM- PILAFIL A , Antananarivo 2011

- HA. RAMANGAHARINORO, Ny anjara toeran’ny vehivavy araka ny hita ao amin’ny tantara foronina Fahavaratra sy Zanaka nosoratan’i Clarisse RATSIFANDRIHAMANANA mémoire de CAPEN, Antananarivo2005, tak 47

Indro atolotray etoana ireto vondrona ambara ireto izay akora niainganay sy nokirakirainay teo am- panaovana izao asa fikarohana izao. Natao indrindra izany mba hanampy ny mpamaky amin’ny fahazoana ny fanazavana sy famakafakana naroso mikasika ny tarakevitra hita tao amin’ny gazety Imongo vaovao nandritra ny taona 1969- 1972; izay vanim- potoana nanana ny lanjany tokoa teo amin’ny tantaran’ny literatiora malagasy. Tantara foronina miisa fito (7) no voaangona tamin’ izany ka ny telo (3) amin’ ireo izay heverinay fa ahafahana manohana ny foto- kevitra aroso no hasehonay amin’ny endriny feno. Ny sisa kosa dia nezahinay nofintinina mba hahazoana manasongadina ny vontoatin’ny tantara ary koa mba hampanan- karena sy hahamari- tombina ny fandinihana izay natao.

I NY TANTARAN- DRAKOTO

1-Talata 16 septambra 1969, IV lah 4011 Nanakaiky ny trano hodiana Rakoto vao malaindaim- pamindra .Eritreritra maro samihafa no nifanontona tao an- tsainy. Fieritreretana ny tokantrano tsizarizary ho vantanina , ny taona maro nalana tany am-ponja, ny vady aman- janaka manao sakafo ambany foitra, ny sakaiza sy ny namana manao ambany maso tsy hita ny fahavoazana; ny asa rehetra natao ka noheverina ho fanasoavana ny firenena, ny taona mihamandroso tsy mijanona …Fieritreretana izay mety ho fiafaran’ izao fiainana toa tsy hita lany izao. Nandroso ihany anefa fa tsy maintsy mody ary mbola ao ny vady aman- janaka.Tafiditra ny trano izy dia nipetraka avy hatrany teo amin’ ilay tolana, efa nihilangilan- pijoro. Somary nisento kely, toa niandry an-dRavao vadiny fa ny zaitra teny an- tananany no voa mainka niondrehany.. Nitsangana Rakoto nony afaka kelikely, dia nanantona maika ny palitaony teo amin’ny seza no nitodika am- badiny. -Izaho angamba no ratsy vintana indrindra amin’ny mpiara – belona hoy izy, ary alaim- panahy aho hanozona ny andro nahaterahako. Alaim- panahy koa hanontany raha misy izany Andriamanitra izany. -Ahoana no nahatonga anao hiteny tafahoatra tahaka izany hoy Ravao -Teny tafahoatra hoe? Hoy Rakoto tsy hitanao angaha izao fahantrana tsy roa aman- tany mianjady amintsika izao no lazainao ho tafahoatra ny teniko. -Rakoto o! hoy Ravao tamin’ny feo malefadefaka. Aoka tsy hamioifo, izaho mino fa ao ankoatran’ izao aizim-pito toa manarona antsika izao mbola misy ny masoandro mamiratra. Somary niasa dia kely Rakoto vao nanatrika an- dRavao indray. Ela no niandrasako izany masoandro mamirapiratra lazainao izany, hoy izy, nefa ny hitako dia izao fahatsiarovana ny andro mibaliaka fahiny no kanonta manozongozona ny fanantenako.Toa tsy takatra izany satria ianareo vehivavy dia zatra manatsotra resaka. Ny fikarakarana tokantrano sy ny ankizy no anjaranareo dia izay. Fa izahay lehilahy kosa dia mizaka ny latsan’ny vava mitanatana tsy mahita harapaka, ny fitolokon’ny menaky ny aina tsy manan- kitafiana. Nahoana dia toy izao no fizotry ny fiainana. Niverina nipetraka teo ambony seza Rakoto, Mbetika nanongotsongo saoka , mbetika nihaotraotra loha. 2- Alarobia 17 septambra 1969, IV lah 4012 Tsy afeniko anao Ramatoa, hoy izy fa tena lasa mihitsy ny eritreritro momba izao fisian’ Andriamanitra izao?Fa impiry no nifona tamin’ izay ratsy mety ho vita mba hamalany antsika amin’ny toera- mangitsoka misy antsika izao? Nefa ..tsy takatrao, tsy mitondra ny andraikitry ny loham- pianakaviana sy ny havesatry ny fahavoazana tahaka izao. Diso hevitra ianao Rakoto, hoy Ravao, Nahoana no heverinao ho tsy tsapako izany? Ataonao fa tsy mangotika ny kibo nitoerana mahita ireto menaky ny aina tsy mba mianatra tahaka ny zana-bahoaka sy mijery azy zara raha mitafy. Nihaino fe nihaino anefa Rakoto; fa mbola lasa dia lasa ny vinaniny. Na eo aza anefa izany rehetra izany, hoy Ravao dia izaho mino fa ……Nitsangana Rakoto nanapaka ny tenin- dRavao. Izany indrindra no tsy itovian’ny hevitsika hoy izy, ianao manatso- javatra amin’ny hoe: Izaho mino, izaho mino.Tsy mba tsaroanao ny faharetan’ izao fitsapana mahazo antsika mianakavy izao. Efa ela ary tena diso ela loatra ,tsy misy olona maharitra ny fizahan- toetra maharitra tahaka izao, fa misy fetrany ny fizahan- toetra mety ho zaka. Ary izany no mahalasa ny eritreritro. Mahagaga ahy izay fomba fiteninao izay Hoy Ravao. Mahatsiaro ny teny notorianao indray indray mandeha aho raha vao afaka avy tany am- ponja ianao. Nirotsaka mihitsy ny ranomasoko nihaino anao nandahatra ny “Jehovah no mpiandry ahy, tsy hanan- java –mahory aho”… Dia ho niova ve izany ka hanjary aloka avokoa izany nataonao, izay kely vitantsika tamin’ny Fiangonana sy ny fianakaviana ary ny Firenena? Tsy manaiky izany ny saiko sy ny foko Rakoto o! -Na manaiky na tsy manaiky ianao Ravao dia izao fahoriantsaiko izao ny ahy no fantratro.Ary toa manjary fandatsana ny fampahatsiarovana ahy ny teny notoriako raha nivoaka avy tany am- ponja aho. Niato kely Rakoto, fa toa nahatsiaro sempotra , vao nanohy ny teniny. - Fa firy taona tokoa moa no niaretako tany am- ponja? Nijaliana fanahy sy nijaliana eritreritra, naminany ny tolona tsy maintsy nataonareo mba hahafahana miaina? Ary tsy tadidinao angaha, nefa ianao ihany no nitantara tamiko, fa na dia izay mba kely nananantsika , talohan’ny fahavoazana aza dia fongana nandritra ny valo taona nigadrako.

II 3_ Alakamisy 18 septambdra 1969, Iv lah 4013 Fa namidinao ny tanimbary, namidinao ny trano, ary izay notrosainao ankoatra ireny dia mbola tsy voaloa hatramin’ izao..Ary ambonin’ izany rehetra izany, dia maty tsy natrehiko akory ny menaky ny aiko anankiray. Toa nifindran’ny fisamboaravoaran-dRakoto Ravao fa nitsaga– nitoetra koa .Vao saika hiteny anefa izy dia Rakoto ihany no nitsatsaingoka Inona anefa no nahatonga izay rehetra izany hoy izy satria nanao ny aiko tsy ho zavatra ho amin’ny fanompoam- pirenena aho, ary na dia ny ainareo efa – mianaka aza dia nataoko tsy ho zavatra koa.Ankehitriny anefa,azo izay niriana ary tongasoa izany fahaleovantena izany, ny tena kosa boribory tsy afa – mankaiza , ary trotraky ny fitondrana tany am- ponja rahateo. Nanatrika an- dRavao izy dia somary nitanondrika :-Inona ary no hatao ary ho vita? Toa ny maty no tsaratsara kokoa. Amin’ izay angamba ho hitako iray hifandaharana amin’ Andriamanitra ny amin’ny fiainana. Napetraky Ravao ny zaitrany dia noraisiny tamin’ny sandriny Rakoto: -Lelafiko re ny faladianao, hoy izy, lelafiko Rakoto! Aoka ianao tsy hamoy fo … tsarovy fa mpampianatra anie ianao … -Mpampianatra hoy Rakoto, izany indrindra no mankarary ny foko Ravao. Mpampianatra hoe? Hampianatra ny olona hanao inona? Ho faraidiny tahaka ahy, ka na ny atokona anio aza tadiavina anio. Jereo ange ity ianao, efa manomboka ho asa koa. Ny fotoana toy izao no tokony hiadanantsika, hisotroana ronono, kanefa ny hatsembohantsika no sotroina! Nesorin- dRakoto moramora ny tanan- dRavao nitehina taminy. -An, an! Tsy misy izao Andriamanitra izao. Raha misy izy dia tokony ho reny efa hatry ny ela ny fitolokontsika mianakavy, ary dia tokony novonjeny isika. -Diso lavitra mihitsy ny eritreritrao, hoy Ravao. Marina fa ao anatin’ny fahasahiranana sy fahavoazana be ny tena, kanefa raha takon’ny rahona ve ny masoandro dia iza no milaza fa tsy misy ny masoandro. Zavatra samihafa mihitsy izany Ravao hoy Rakoto, tsy miresaka masoandro na rahona aho fa miresaka ny fiainako, dia ny fiainako feno tolona sy ady, ary tsy misy fanantenana .Raha mahita fanafody ianao ambaro fa raha ny filazana amin’ny molotra ambany sy ambony fotsiny hoe: mahavonjy Andriamanitra dia averiko aminao indray fa efa ela no niandrasako azy. 4- Zoma 19 septambra 1969, IV lah 4014 Tsy afaka hifandahatra aminao aho Rakoto , hoy Ravao fa fantatrao mihoatra ny ahalalako azy ny fiainana? Izao ihany no iangaviako anao ho eritreretinao: Inona no mbola heverintsika , inona no fanatenantsika raha miala amin’ Andriamanitra?Tsy vao mainka maizina ny lalan- kaleha ?Ny valo taona tany am- ponja aza afaka, koa dia mafy noho izany ve ny fiarahantsika mitolona ho fanorenana ny fiainana. -Mafy mihitsy fa tsy fantatrao hoy Rakoto, manao hehy voraka.Tany am- ponja aho nanana fanantenana: fanantenana fa hody ventiny ny rano nantsakaina ka hahaleo tena indray ny firenena ary hiaina eo amin’ny fahafahana ny vahoaka.Fanantenana tsy voasakan’ny rindrin’ny tranomaizina izany, ary mampijoro ahy haharitra ny mafy.Fa ankehitriny afaka avy tany am- ponja izahay ary tonga ny fahaleovantena , kanefa , inona no azo tsinjovina fa havoakan’ny ampitso ?Tsy misy.. -Izao ange -Henonao izany, hoy Rakoto nanapaka ny tenim-badiny.Tsy misy.Izay rehetra nantsoiko tsy nanoina, izay nodoniko varavarana tsy namoha. Tsy misy hantenaiko na dia ny sakafo harosoko ho anareo rahampitso aza! Ny zaitra teny antanan- dRavao no naolanolany , nanalany ny fisamboaravoaran- tsainy, fa tsy hitany izay hatao. Hangina aho Rakoto hoy izy, Kanefa tsy resinao lahatra akory… Tapaka ihany indray anefa ny teniny fa nisy nandona teo am- baravarana -Iza izao.haody ny aty hoy Ranaivo niditra.Toa mba nihiratra kely Rakoto nahita ny sakaizany hatry ny ela , ka avy hatrany dia namelon- dresaka. -Manao ahoana izato ise, hoy izy. Inona no vaovao ?Efa nahita asa ihany sa …….. - Tsy am- bolana hoy Ranaivo nefa manantena aho fa tsy maintsy mba hahita ihany atsy ho atsy.Ny fanamboaran-dry zareo ny “dossier” koa re ry ise no asa fa izay aleha mandridrin- trano avokoa. –Ise izany dia mbola manantena fa izaho izany dia efa kivy. Heveriko fa efa mikatona tanteraka ny hoavinay mianakavy. Ary namana ise ka tsy anafenana, fa nifamaly mafy mihitsy izahay mivady teo noho izany . -Hadinon’ ise kosa angaha Rakoto ny fitenenana hoe: “tsy misy mafy tsy laitran’ny zoto” fa na inona na inona anie fahavoazana dia mbola azo atao ny miarina

III 6 –Alatsinainy 22 septambra 1969,IV lah 4016 - Aza tapahin’ ise ny teniko hoy Rakoto, fa izay no izy ary nitantara fotsiny no nataoko.Nandeha indray namonjy ny fivorian’ ireo mpigadra sy sesitany,efa afaka niheverana ny hifandraisana amin’ ireo antoko politika, misy ny tapa- porohina sisa tsy may, tao rahateo ireo fikambanana nikarakara anay hatrany an- tranomaizina. Nisy ny fihetseham-po nahafinaritra, nisy koa ny fanampiana tamim- bola sy fanazavana samihafa , kanefa .. -Nahoana indray no arahin’ ise “kanefa” hoy Ranaivo - tsy hanontany ise raha nieritreritra kely foana hoy Rakoto somary tezitra.Heverin’ ise fa hangataka fotsiny angaha no hatao raharaha, ary ireo fikambanana mpanampy anay, moa omena tsiny? Fa firy ny olona nokarakarainy, ary moa tsy efa betsaka ny nataony taminay. -Na izany aza, ataoko fa misy hevitra tsy tonga tao an- tsain’ ise hoy Ranaivo. - Lazao indray ho henoina hoy Rakoto, -Ny amin’ny dokotera Rajoelina no tiako ho lazaina, hoy Ranaivo.Ataoko fa misy azony atao hanampiana an’ ise. Indrindra fa raha toa ise milaza aminy amim- pahatsorana izay mahazo an’ ise na dia hoe hanampy azy amin’ny fahabetsahan’ny olona raisiny fotsiny aza. Fantatro tsara Rajoelina hoy Rakoto, ary ny fiheverako azy dia ny fifidianana amin’ny ho avy no tena kendreny. Kely finoana aho raha ny aminy. Marina tokoa fa betsaka ny olona tonga mitsabo tena ao aminy ka ataony ahoana no manome ahy efa mangozohozo ity. Toa tsy te hiteny intsony Ranaivo nahita ny endriky Rakoto, kanefa tsy nahatsindry fa mbola nanohy, samy niteny tsisazotsazoka.Ary mba efa teny amin’ny Ministeran’ny fampianarana ise? -haninona eny? Hoy Rakoto toa gaga. Tsy nitranga tao an- tsaiko mihitsy izany! Ny politika atao tsy itovizana ka ataon’ ise ahoana no hankanesana eny hila ranondranony.Sao dia diso izany ry ise! Malagasy tahaka ny Malagasy rehetra anie ireo ! hafa ny andro taloha nampiadian’ny mpanjanantany antsika samy isika, fa ankehitriny dia tokony hifanatona hampandrosoana ity tanindrazana iombonana ity. Somary nanao hehy valaka Rakoto toa efa niova koa ise izany, hoy izy ka nanadino ny dina nifanaovana raha nivoaka ny sekoly.Tsy ny hikaroka ny tombotsoan’ny tena fa ny an’ny firenena no nifanekena tamin’ izany. 7-Talata 23 septambra 1969, IV lah 4017 -Iainako amin’izao fotoana izao izany ka inona na inona lazain’ise dia tsy mino aho fa tsy ataon’ny mpitondra sasany itiavany ny tenany fotsiny izay ataony.. - Mety ho marina izany hoy Ranaivo, nefa mety ho fitsarana fotsiny avy ety ivelany koa. Aza manao mangidy tsy andramana ise fa mba tsapao ihany…ary ny fiangonana ahoana? - Tsy raharaham- piangonana izy ity fa raharahan’ny fiainako; ary reko rahateo koa fa ny adidin’ny fiangonana aza misy tsy vitany ka aiza no ahazoany mikarakara ahy. - Izany angaha no manaporofo fa tsy afaka hanao na inona na inona amin’ ise izy. Na dia izay mba soa vitan’ ise tamin’ny Fiangonana izay ihany aza. - Efa lasa ireny Ranaivo ! Ny manadino…,ary izaho koa tsy te – hampatsiahy izany …fa hono ho aho, sao mba misy roapolo ariary any amin’ ise hosamboriko.Fa na ny hanina aza anie izao tsy misy e! Manginy fotsiny ny hofantrano sy ny trosa nalaina tetsy sy teroa tsy voaloa. Nony injay mandingana ny tokonam-baravarana ry ise mila tsy hahajery olona … Mihoby ny vahoaka fa tafaverina ny fahaleovanten- tena.Izaho sy ankohonako kosa voageja ao anatin’ny fahoriana lalina. -Tsy misy afa – tsy ity ariary folo ity no azoko omena an’ise fa izaho koa aza sahirana hoy Ranaivo.Ary tsy ampisamboriko iny fa raiso am-pahatsorana noho ny fifankatiavantsika. - Tsia fa tsy maintsy haveriko ny an’ ise, fa tsy fombako ny tsy mamerina izay nosamboriko .Na ho ela na ho haingana dia tsy maintsy honerako fa dia misaotra betsaka. -Tsy misy isaoran’ ise ny amin’ izany hoy Ranaivo, Fa hono, ho’ aho, mbola hanontaniako kely ihany ity: moa tsy manana tany novelena fanampin’ izay azo tamin’ny fampianarana ianareo? –Nisy tokoa Ranaivo saingy rehefa lasa sesitany aho dia nanaovan’ny vazaha amboletra fotsiny izao, azony tamin’ny tsikombakomba tamin’ny fanovany tamin’ ilay admisy mpifehy ny faritany.Na ny kafe na ny voly kely natao teo dia tena ara- bakiteny no ilazana aza fa nanjavona 8- Alarobia 24 septambra 1969, IV lah 4018 …Ary moa tsy mpanoratra ve ise? Zara anefa raha niverina ny maso- karena nanaovana azy.Vitsy no mamaky boky eto amintsika fa ao ny tsy fahaiza- mamakiteny, ny tsy fananam- bola ividianana na dia gazetin’ ariary akory aza. Eo andanin’ izany anefa ny trano printy tsy manaiky, tsy maintsy misy vola aloa mialoha. Ary fantatr’ ise fa tsy misy izany.

IV -Ary ny varotra angaha tsy mba nanandrana ise? - Aoka tsy hasiana teny lava intsony ny amin’ izany , hoy Rakoto fa na ny hamidy entana na ny handovana pantaty; Inona no ho enti- manana izany.Izao no izy ry ise Ranaivo a! raha bangoina, tapi – dalan- kaleha toy ny sokina nananim- bato aho …Asa izay ho fiafaran’ izao fa dia misaotra an’ ise ihany aloha tamin’ny torohevitra. Niomankomana ny handeha Ranaivo, fa tsy hitany intsony izay hatao no injay nisy nandona ary avy hatrany dia niantso “ nandroso” koa Rakoto.Tsy iza no niditra fa Rajery tompon- trano , ary toa vinibinitra raha namaly ny arahaba natao ho azy. -Misy dinika kely hataoko aminao ry Ingahy Ranaivo, hoy izy ary ianao ihany ho tiako hanaovana izany. -Sakaizako Ranaivo ary tsy misy ifampihafahafanay, koa azonao atao ny miresaka eo anatrehany. Azo atao hoy Rajery, nefa ataoko fa tsy mety.Tsy dia ho ahy loatra akory fa ho anao indrindra indrindra. Izany no hitiavako hiresaka aminao manokana.Toa zaran-dRanaivo aza nahare izany, ka tsy nisalasala izy hangata –dalana handeha. Rakoto tsy nahateny intsony fa nanatitra ny sakaizany teo am- baravarana dia nanontany izay resaka tian-dRajery hatao aminy manokana! Tsy inona akory ny anton- diako hoy Rajery fa efa fantatrao ihany dia ny amin’ny hofan- trano. Ary dia notsahiviny ny nahavoatery azy hampakatra ny raharaha teny amin’ny tribonaly noho ireo vola tsy voalohan- dRakoto fa nitambatra loatra. - Tapitra ny fe – potoana nomen’ny tribonaly , hoy izy,ka dia tonga hampatsiaro anao ny efa nolazaiko matetika ihany, am- bava sy an –taratasy. Rahafak’ ampitso no handraisako ny trano ka dia mila miala amin’ izay ianareo. Tsy nahateny Rakoto, ary tsaroany fa nihanavesatra ny lohany . Hadinony mbamin’ny nandroso ilay seza tsizarizary ho an- dRajery fa lasa izy namonjy nitombina teo ambony vata; 9- Alakamisy 25 septambra 1969, IV lah 4019 Manao azafady aho fa tsy sanatria manenji- dresy tsy akory, fantatrao tsara ry ingahy Rakoto ireo hetra isan- karazany, izay tsy nitsaha – nitombo tato ho ato, tsy maintsy aloan’ny tompon- trano na ireny fotsiny aza, aiza no handoavako azy raha tsy mandoa hofan- trano ianareo, - Menatra anao tokoa aho ry ingahy Rajery. Mila tsy hahateny mihitsy aho nefa tsy maintsy miteny ihany. Na ao aza re ny didin’ny tribonaly mba omeo iray volana izahay vao esorina. - Aoka re tsy asiana resaka be intsony ny momba izany e, hoy Rajery. Roa taona anie aho izao no tsy mba nandray hofan- trano taminareo mianakavy na dia varifitoventy aza; ka hatraiza indray no mbola handeferako. Izaho mba manana ny fahasahiranako tsy hary ho voataonoko aminareo, ka aoka tsy ho tsiniko mihitsy ny hanala anareo; Ny mba hahara- dalana azy indrindra aza no nahatery ahy hampakatra teny amin’ ny tribonaly. Efa be mihitsy ny fandeferana nataoko taminareo ka tsy hitako intsony izay azo atao. - Marina izany tompokolahy, hoy Rakoto ary misaotra anao tokoa amin’ny fandeferanao kanefa miangavy re mba homenao izay iray volana izay .Mamela ahy mba hilaza zavatra sasantsasany aminao. - Efa he izay voalazanao izay ry Ingahy Rakoto, ary tsy miafina amiko ny fahasahirananao kanefa izaho koa mba sendra ny tsy azo anoharana; - Iray volana ihany no angatahiko; - Efa nanome roa taona aho ; ampitomboy efatra amby roapolo volana ny efa – jato hofan- trano dia hitanao fa vola enin- jato sy sivy arivo ,izay no volako any aminareo. Ataoko ahoana no mbola hampitombo izany indray? Fahasoavana ho anao rahateo koa anie ny tsy hitomboany, ka tsara ny fifindranareo amin’ny toeran- kafa; Efa nilaza taminao ihany aho ry Ingahy Rajery, fa izaho no mba azo antsoina ho sangan’ny fianakaviana satria mba nahita fianarana. Ary raha tsy ny fahavoazana tamin’ny fito amby efapolo iny, dia angamba ho tena andry niankinana sy vato nandiavana … Saingy ankehitriny dia izao hitanao izao…. Ka ahoana ary no hevitra hitanao? Hoy Rajery. Rahoviana ianao no hiala hahazoako mandray ny trano. Tsy nahateny anefa Rakoto. Mbetika izy niondrika , mbetika nitraka, no sady nanapoapoaka ny ratsan- tanany. -Izao no hevitra atolotro ho anao hoy Rajery. 10- zoma 26septambra 1969, IV lah 4020 Na efa nandefitra taminao aza aho dia tsy maninona fa mbola handefitra farany. Afoiko ny antsasaky ny hofan- trano roa taona ka dia ny herintaona ihany sisa no efainao, nefa kosa dia miala tsy misy hatak’ andro ianareo fa mba raisiko amin’ izay ny trano. Vitsivitsy ihany koa ireto entanareo ka angamba tsy hanahirana anareo ny hamindra azy. Rahampitso mantsy dia hoavy ny mpiasa hanamboatra ny trano.

V - Dia ho vatranao ve ry Ingahy Rajery ny hanilika anay ho any ivelany; Sanaria tsy manilika aho fa manao izay tokony hataoko, ary efa nampiomana anareo aho fa ianareo no varimbariana ka anaovana azafady raha voatery manao teny henjana… Tapaka ny tenin- dRajery fa niditra Nivo zanaky Rakoto , ary rehefa avy niarahaba izy dia nibitsibitsika nanao toha – tsofina tamin-dRainy. Avy eo kosa dia nanala ny palitaony Rakoto ka manolotra an’ iny an’i Nivo. - Izay ary no izy ry Ingahy Rakoto, hoy Rajery nanatona varavarana , fa dia lasa aho. Ianao moa efa nanala ny palitao rahateo. - Aoka tsy hataonao manaitra ny fanalako palitao , hoy Rakoto. Marary ao ny zanako faravavy, ary tsy misy hikarakarana azy ny vola…. - Ka tsy ny nampiditra azy eny amin’ny hopitaly va no mety fa eny no misy fikarakarana maimaim- poana , hoy Rajery nitsatsaingoka. -Mora ny miteny hoy Rakoto , ary na ao aza ny hopitaly dia mba misy ihany ny farafahakeliny ilaina saingy tsy ananana, tsy mahazo hafanana ilay zanako manavy, ary tsy misy ny kitay hamanana rano , na ny lamba firakotra aza ka dia ny palitaoko aloha no notsoahiko iny hanampiana ny lambany. Koa iny ve ry ingahy Rakoto dia hahazoany hafanana. - Ka tsy misy azo atao mihoatra , noho izany tsinona , hoy Rakoto, ary ny mahadodona ahy mba hangatska andro dia tsy inona akory fa ny tsy fahasalaman’ ny zanako. Hiala eto tokoa izahay saingy mba mangataka andro kely fotsiny aho. -Tsy afaka intsony mihitsy aho hanaiky izany fangatahanao izany ,hoy Rajery. Ary mamerina ny fialan- tsiny aho fa izay no fara- teniko. Ndeha fa dia manao veloma anao aho aloha ary mampamangy amin’ny fianakaviana . Nandeha ho azy ny tanan-dRakoto nandray ny tanana natolotry Rajery. Lasa indray izy niverina nipetraka teo ambony seza , dia nitanondrika nitan- doha 11- Sabotsy 27 septambra 1969, IV lah 4021 Tsy ny efitrano nisy azy ihany no tsaroany ho babangoana fa ny fiainany manontolo mihitsy. Tahaka ny latsaka tao anaty harohana ny fahatsiarovany ny tenany, tsy nihetsika izay mahadifotra tsikelikely, mihetsika anefa vao mainka milentika. Vetivety dia niova ho hatezerana indray ny famoizam- po nahazo ahy.Fa tsy fantany izay heloka na fahadisoana nataony, na teo amin’ny fianakaviana na teo ami’ny mpiara- belona sy ny firenena , kanefa mafy noho ny sazin’ny heloka bevava ny manjo azy. - Tsy mino ny vintana na anjara aho? Hoy izy niteny irery ka inona no nataoko no mahatonga ho toy izao, Nentanin’ny fony nisendaotra Rakoto ka tafatsangana, niasa eran’ny trano, sady nihidy vazana no namonkona totohondry. Niditra Ravao, ary raha vao nahita ny endri- badiny nisoritan’ny alahelo lalina Ravao dia nanezaka hampitony ny fisamboaravoarany. -Manao ahoana i Noro ? hoy izy -Angamba tsy haninona izy , hoy Ravao. Efa niangaviako “aspirine” tatsy amin-dry zareo tatsy avaratra mba hampiafana azy. –Tonga teto indray Rajery tompon- trano , hoy Rakoto. -Ka ahoana hoy izy? Mba nanaiky ny hatakandro ihany sa? - Ianao ity lahy, hoy Rakoto. Inona no nekeny teo. Efa betsaka hono , izay nandeferany tamintsika izay, ka rahafakampitso isika dia tsy maintsy miala - Ka ho aiza izany, hoy Ravao -Asa! Hoy Rakoto.Raha mahita hevitra ianao dia lazao fa izaho tsy mahita intsony .Nivalanketraka Ravao, fa inona moa no hevitra ho hitany eo…Impiry no efa niresadresaka na ny amin’ny fiainana ankapobeny , na ny amin’ny trano noho ny fandondonan- dRajery kanefa tsy nahitam- baliny izay fikarohana natao. Hany heriny nanodinany resaka aloha. - Ary inona no mba nolazain- dRanaivo teo? Hoy izy. Tsy mba nisy tolo _ kevitra nataony raha mba noresadresahanao izy? - Nisy ihany saingy tsy azoazoko ,hoy Rakoto. Asainy manatona an’i dokotera Rajoelina aho hitaraina, ary tadiaviny hiakatra hatrany amin’ny Minisitra hitalaho , fa sao hono, misy azao hatao hamerenana ahy amin’ny fampianarana . Eny tokoa , hoy Ravao -Ianao miteniteny foana , hoy Rakoto. Fantatra fa tsy hisy vokany akory izany ka “ Eny”

VI 13 Alarobia 01 Oktobra 1969, IV lah 4024 - Nikohokohoka fotsiny dokotera Rajoelina somary nikery ny valin- drihina : Raha ny efa nataonao taminay hoy Rakoto dia tsy hadino. Tsaroana dia tsaroana tokoa ny fandavan- tena, ny fanampianareo tamin’ny andro sarotra , indrindra ange tamin’ny nahararian- dRamatoa Ravao vadiko. Tsy ho voavalinay mandrakizay ireny fa dia ao Andriamanitra hamaly azy… Fa izao, hatramin’ ireny fotoana ireny ka mandrak’ izao dia tsy an- tany tsy am- parafara lava ny fiainanay.Nikaro- dalana mba hahazoa – mivelona tahaka ny olona rehetra, kanefa izay atao mandamoaka avokoa.Tonga amin’ izay faran’ iray tena sarotra amin’ izao ka dia izany no idodododoana manatona anao, fa ny tahaka anao izao no tena andrin’ny mandinika. Nitraka kely toa niandry fankaherezana Rakoto, nefa nila tsy ho tazana akory ny endriky Dokotera voadidin’ny setroka. Tsy hitantara aminao ny fahasahiranana ao an-trano aho, fa ny amin’ingahy Rajery tompon- trano no ho lazaiko.Roa taona izao no tsy voalohanay ny hofan- tranony ary dia tonga izy fa tsy maintsy tanterahina ny didim- pitsarana manala anay. Nitady trano hifindrana izahay nefa tsy mahita fa sady lafo ny hofan- trano no tsy mety mampanofa ny olona raha tsy aloa mialoha ny hofany iray volana . Na dia izay hamiddy kitay hamanana rano ho an’ilay zaza manavy akory aza anefa tsy misy… Koa dia izay no naleha aty aminao, tompoko , hila vonjy , hila fanampiana ,hila torohevitra , fa tafalatsala ao anatin’ny aizina lalina. Misaotra anao ry ingahy Rakoto, hoy dokotera Rajoelina, tamin’ny feo somary migobogoboka.Misaotra anao aho amin’ ny voninahitra omenao ahy, amin’ny tsy nisalasalanao fa nanatonao ahy toy ny havana. Ary satria ianao no efa mampatsiahy ahy ny lasa dia nisy dia nisy tokoa ny nataoko taminareo. Na ny vadinao narary, na ny zanakao dia notsaboiko, ary tsy naka aho na dia varifitovetny aza aho tamin’ izany. Raha sendra ka nisy fanafody aza teo am- pelatanako dia nomeko maimaim- poana - Tena marina izany hoy Rakoto, arydia mbola mamerina ny fisaorako anao indray amin’ny rehetra efa nataonao; - Izao anefa ianao ity tonga , hoy dokotera. Tonga hitaraina amin’ny fahavoazana hafa fa tsy amin’ny ara- pahasalamana intsony ,… ary izany no mahavaka ahy. 14- Alakamisy 02 oktobra 1969, IV lah 4025 Fa nahoana tompoko? Hoy Rakoto -Ny vilany misarona toa misy hena , hoy Rajoelina kanefa …Efa tsy nihafahafa ianao ka dia mba tsy hisorona koa aho fa na izaho aza anie amin’ izao fotoana resahatsika izao dia mbola mba manilika trosa koa è! Nivanaka toy ny nahita zavatra mbola tsy fahitany Rakoto. - Eny hoy dokotera, izany no marina ary etsy ianao hanazavako azy: manao trano aho amin’ izao fotoana izao ary vola tsy toko tsy forohana no laniko amin’ izany. Misy an’ aliny no tsy maintsy efaiko isam- bolana. Misy ny vola nalaiko tany amin’ny banky , inona no tsy mampandry ahy andro aman’ alina , hoy ianao tsy ny mba hahazoako manefa izany, koa dia …. - Dia ahoana, tompoko , hoy Rakoto tsy nahandry. - Ahoana moa , fa dia malahelo aho hilaza aminao fa raha fanampiana ara- bola dia tsy hitako mihitsy izay azo atao amin’ izao fotoana izao. - Saiky tafatsangana Rakoto nahare izany, ka niolanolana teo ambony seza. Lelafiko ny faladianao dokotera , hoy izy, aza dia miala tsiny ambony ihany re ianao fa mba diniho kely varivaiventy ny mahazo anay. Tsy ny mahazo ahy irery fa ny manjo anay mianakavy.Izy mirahavavy zanako tsy manana antom- pianarana, tsy manana na inona na inona mba hantenainy ny amin’ny hoaviny. Amin’ny anaran’ ireo indrindra no mba italahoako aminao. Azoko izany fahasahirananao izany, kanefa sanatria no dia izay sombimtsombina avy amin’ny latabatrareo aza mety mba hahavony anay amin’ izao fahavoazana be izao 15_ Zoma 03 oktobra 1969, IV lah 4026 Tsy misy ilelafanao ny faladiako ry ingahy Rakoto. Izao no lazaiko aminao: aza mba mora kivy amin’ny fiainana, fa iza moa, na ny tenako izao aza, no tsy mandalo fotoan- tsarotra, kanefa mba afaka ihany. Kodiaran- tsarety moa ny fiainana ka mifamadibadika ho ambony sy ambany; izay misento anio, mety mbola hifaly rahampitso. Koa noho izany no anaovako anao hoe aza mora kivy; Nanezaka mafy Rakoto nanindry ny hatezerany sy ny alahelo nisamboaravoara tao anatiny. Fa moa tsy izay efa hitany sy reny hatramin’izay ary nahiny fa hiverina no naverin- dRajoelina tokoa. - Aoka aho hamerina kely ihany na dia ny zavatra efa fantatra aza hoy izy.

VII 15- Efa- taona izao dokotera no nivoahako avy tany am- ponja, ary nandritra izay dia niezaka tokoa aho, nanao izay azo natao nefa tsy nahita vokany. Koa miangavy anao aho, aza dia miodina amiko fotsiny …. Ny fanaka sy ny zavatra madinika tapitra namidy na dia ireo boky nataon’ olona fanomezana ho azy mirahavavy aza fa sitrany ahay vary eran’ny kapoaka. Ary na ity akanjo ety an- koditro ity aza dia sady an- doha no an- tongotra….Toa niandry an’ i dokotera hiteny Rakoto kanefa tsy rototra akory Rajoelina fa ny sigarany fotsiny no napololotrany. “Efa nanomboka niteny aho, hoy Rakoto, anankampony ka dia tohizako hatramin’ny farany” -Zavatra efa fantatro izany lazainao izany, hoy izy nitodika an- dRajoelina , kanefa nambarako ihany mba hahafahanao amin- kamoram- po ny fangatahako. Inona moa no angatahiko aminao dokotera, inona tsy tanana mivelatra hitanty fahantrana fotsiny aho, fa vonona hiasa aho, ka fanampiana no angatahiko aminao dia izao: mba hampisambory vola aho hanefako ireo trosan’ olona efa tsy ahafahako mitraka ary dia mba raiso aho hiasa eto aminao hahazoako manilika izay samboriko aminao. 16- Sabotsy 04okotbra 1969, IV lah 4027 Teneninao mangataka izany ka mora hoy dokotera Rajoelina, nefa tena zavatra sarotra ary tsy hitako izay hanatanterahana azy. Ny amin’ny vola aloha mantsy dia efa voalazako anao teo fa na izaho aza anie mba anan’olon- trosa koa ka mbola eo am- panilihana an’ izany. Ary ny amin’ny asa tadiavinao dia inona homeko anao eo? Izaho aza izao efa eo am- pieritreretana hanalana mpiasa noho izany fahasahiranan lazaiko anao izany. Ataoko fa na ianao ihany aza dia hanaiky fa tsy rariny ny hakana ny toeran’ny hafa hoy Rakoto, ary tsy izany no hangatahako. Ny hiangaviako anao dia ny mba handraisanao ahy ho mpitan- tsoratra raha azonao atao. Fa vitako tsara ny manao ny taratasinao, na ny mankany ivelany ny mandamina ny voaray sy ny alefa, ny miandry ny anaran’ olona tonga ho zahanao, ny manao ny “ fichez” n’ny olona tsaboinao araka ny fombanao ka izay mba talenta kely mba hananako amin’ izay dia mba entiko hanampy anao amin’ny fanasoavam- bahoaka ataonao amin’ny alalan’ny fitsaboana. 17- Alatsinainy 06 oktobra 1969; IV lah 4028 Izay karama omenao ahy dia ekeko na dia ataonao hoe: eninjato ahazoako mandoa ny hofan- trano fotsiny aza. - Averiko aminao indray ry ingahy Rakoto, fa mora am-pilazana izany, fa sarotra ny manatanteraka azy. Tsy afaka mihitsy hanampy ireo mpiasa efa miasa ato aho; ary raha ny amin’ny fitantanana an- tsoratra ny zavatra mikasika ny fitsaboana, dia mila fahaizana sy fahazarana izany fa tsy hoe azo omena izao olona rehetra izao ho tanany - Inoako fa raha atoronao kely foana aho, hoy Rakoto, dia tsy hanano- sarotra amin’ izany.Kanefa raha heverinao fa tsy ho vitako io asa io, dia izao ary re no angatahiko. Raiso aho hampianatra ireo zanakao. Fomba fanao ihany mantsy ny maka mpampianatra an- trano hampamerina izay ataon’ny ankizy any am- pianarana no hanorotoro azy koa ambonin’izany. - Tsy hitako izay hevitra amin’ izany hoy dokotera fa tonga amin’ny hoe: valala tsy an- tanana tsy atolo- jaza -Zavatra roa no mba kendrena amin’ izany fangatahana izany, hoy Rakoto, anankiray dia ny mba hahazoako fivelomana kely, faharoan’izany, dia ataoko fa izany fitaizana ny zanakao izany no fomba mba ahazoako mamaly ny soa betsaka efa nataonao taminay mianakavy. - Mbola isaorana ihany koa amin’ izany fikirizanao izany, hoy dokotera, kanefa mbola miala tsiny ihany indray aho fa tsy itoviana ny hevitra. Ny anay mivady mantsy dia tsy mba tianay mihitsy ny hanome andraikitra olon- kafa amin’ny fanaraha- maso ny ankizy, ankoatran’ izay ataon’ny mpampianatra any an- tsekoly. Izahay ihany no te hitaiza azy fa iza no ho afaka hamolavola ny ankizy mihoatra ny ray aman-dreniny. Nitsangana dokotera Rajoelina toa te – hilaza fa vita teo ny resaka. Rakoto kosa anefa tsy nihetsika teo ambony seza . Miala tsiny dia miala tsiny raha mitana anao ela, hoy izy nanohy ny teniny nefa mbola milelaka ny faladianao ihany aho mba hihaino ahy. Hitako fa manana tokotany malalaka ianareo, ka lasa ny eritreritro hoe ho fatratra lahy raha voavoatra ho zaridaina feno voninkazo izao tokotany izao. Mba manana izay kely fantatro tany am- pianarana aho, tany amin’ny “ école régionale” momba ny fambolena, ary mbola nandinika koa taty aoriana,…Koa maninona raha mba raisinao ho mpanao zaridaina aho, fa ataoko ho karazana “edena” hameroverofan’ny voninkazo mani- pofona ny zaridainanareo.

VIII 18 – Talata 07 oktobra 1969, IV lah 4029 - Tratra aoriana kely ianao hoy dokotera, maimaika angaha ianao ka tsy nahatazana fa efa misy olona mikarakara ny zaridaina ao an- tokotany ao, ary na ohatra aza ka tsy nisy izany, dia hataoko ahoana ry ingahy Rakoto ny hampiasa olon- dehibe sy manan- kaja tahaka anao izao ho mpanao zaridaina; - Aoka tsy hasiantsika fitenenana ny haja amam-boninahitra dokotera, hoy Rakoto nihomehy voraka. Fa inona moa izay haja tsy ahavelomam- bady aman- janaka ! koa aoka havelantsika eo ny amin’ iny…fa dia mbola miangavy anao ihany aho, raha mba misy asa ankoatra ireo voatanisako ireo dia mba ampio aho … na dia hataonao fanirakiraka fotsiny aza; -Tsy hitako izay azoko atao hoy dokotera Rajoelina. Araka ny nolazaiko anao teo dia tsy azoko heverina mihitsy ny handray anao hiasa ato amiko amin’ izao… Toro hevitra anga no azoko omena anao. - Eny ary, fa lazao tompoko, hoy Rakoto nihomehy anakampo. Marina fa be ny tokoa ny fahavoazana tamin’ ireny fotoanan’ny tabataba irey hoy Rajoelina. Ny andro lasa anefa izany fa izao isika efa mahaleotena, ka malagasy daholo ny ankamaroan’ny tomponandraikitra ao amin’ny sampan- draharaha isan- karazany. Raha izaho ianao dia mba hatonina ihany izy ireny ka hamborahana ny fahavoazana. Inoako fa tsy maintsy hatorony anao izay mety hatao na ny hamerenany anao amin’ny asanao taloha na ny hanomezany anao asa hafa. - Misaotra anao amin’ny torohevitra, hoy Rakoto kanefa dia izao no izy: efa natao izay rehetra azo natao nefa tsy nisy vokany, ary izany no nahatongavana aty aminao izao….Koa tsy hanorisory anao ela intsony aho dokotera fa ity misy hataka farany hataoko aminao. - Raha momba ny asa dia aoka hifarana eo ny resaka, hoy Rajoelina, satria tsy misy azoko atao mihitsy. - Tsy asa intsony ity tompoko,hoy Rakoto, fa zavatra hafa, voamariko fa misy garazy iray mikato- potsiny ity an- drefan- tranonareo itsy. Izahay araka ny nolazaiko anao dia roahin’ny Ingahy Rajery, tompon- trano, tsy maintsy hiala, ka izao no fiangaviako, aoka mba hitsitrika ao amin’ny garazy ao izahay mianakavy na dia tapa –bolana monja aza , mandrapahitanay izay olona antra mba mety hampanofa trano anay. 19- Alarobia 08 oktobra 1969, IV lah 4030 Vao mainka sarotra ny amin’ izany hoy Rajoelina, tena tsy azoko atao mihitsy izany, ny anakiray dia fantatrao tsara fa misy didy aman- dàlana mametra ny momba ny trano itoerana , ka tsy azao hanenana io karazy io, ary tsy ny olona tahaka antsika izao iray mahalala no tokony handika lalàna, -Fantatro izany dokotera, saingy aza omenao tsiny aho raha tsy mahita izay hatao. Ary ny lalàna angaha moa tsy mba azo dikaina ihany rahefa misy antony lehibe. - Fa mbola misy antony faharoa tsy ahazoako manome fahafaham-po anao koa, hoy Rajoelina. Efa vita fanekena amin’ ilay vazaha etsy akaikinay etsy izy io fa hofany ka ataoko ahoana no hitsoaka amin’ny fanekena efa vita an – tsoratra. Ny zavatra tahaka izany indrindra no anabantian’ny sasany sy tsy itokiany antsika matetika. - Dia tsy misy hevitra koa izany ny amin’ iny, hoy Rakoto, fa sao dia mba mahita kosa ary ianao, na dia atao hoe fisoko aza mba hisitrihan’ny lohanay dia tsy mampaninona -Tsy mahita mihitsy ry Ingahy Rakoto, fa ry Randria atsy avaratra hoe mba ialana nenina sao misy azony atao. -Ianareo aza tompoko, tsy afaka mamonjy ka ny hafa indray ve? Nihevitra aho fa amin’ny mahadokotera anao dia hotsapanao tsara ny fahavoazana ara- tsaina mahazo anay kanefa … -Fantarao tokoa izany ry ingahy Rakoto kanefa malahelo aho fa tsy misy azoko atao ireo zavatra angatahinao. Ary miala tsiny indrindra aminao, aho fa mbola misy marary hojereko izao ka tahaka ny mandroaka anao aho sanatria. - Tsy misy tsiny akory tompoko hoy Rakoto nitsanga – malaina. -Raha misy ilanao ahy amin’ izany zaza marary izany dia aza misalasala fa vonona aho hitsabo azy tokoa . Ary ity misy vola kely efapolo mba hividiananao lasopy ho azy. Nandray tsisazoka Rakoto ary nisaotra malefadefaka . - Mamerina ny fialan- tsiniko aminareo raha toa ka tsy azoko atao afa- tsy iny aloha , hoy Rajoelina, fa mbola be ireo adidy amin’ny fitsidihana ireo marary tsy maintsy aleha. -Izaho no tena manao azafady, hoy Rakoto fa nanelingelina anao be loatra. - Toa nandeha ho azy ny tongotry Rakoto teny an -dalana fa tsy tao an- tsainy akory ny lalana nodiaviny.

IX 20- Alakamisy 09 oktobra 1969, IV lah 4031 _ Eritreritra maro mantsy no nibosesika sy nifamahofaho tao an- dohany. Alahelo niharo henatra fa mba lehilahy lehibe ihany ny tena no nangataka nefa dia miala maina fotsiny, na dia azo lazaina ho tafahoatra ny tokony ho izy ary ny fanetren- tena nentina nangataka….Moa dia tsy misy azony natao tokoa ankoatrany fanomezana vola efapolo? Kanefa amin’ny lafiny iray, hatraiza koa no ahazoana manome tsiny an’ i dokotera Rajoelina.

Azo ambara ho ny hamafin’ny fony na ny haratsiam- panahiny va no tsy nanekeny izay rehetra nangatahana? Fa moa ny olona tsirairay tsy samy manana ny fitsipi- piainany heveriny fa tokony harahina. Koa azo lazaina ho fitiavan- tena ve ny fanarahan’i Dokotera Rajoelina izay heveriny hahasoa azy sy ny vady aman- janany? Sady nisavoritaka tsy afa – nandalina ny fandehan- javatra ny sain- _dRakoto no tsy mbola tiany koa ny hahita ny valiny fanontaniana koa dia fanomanana ny resaka ataony manaraka no nieritreretiny.Tapaka mantsy ny heviny fa hanao ny fara ala- nenina rehetra… Somary niontana kely ihany ny fony niakatra ny tohatoha- bato nankao amin’ ilay tranobe halehany, fa tao ny efa tsy fahazarana intsony niditra amin’ny biraom- panjakana tahaka itony, tao rahateo koa ny fahatsiarovana ny tena ho kaosikaosy fa toa nisoritra avy hatrany tamin’ny fitafiany sy ny endriny ny fahantrana sy ny fahambaniana noho ny hafa. Nanontany ny mpiandry raharaha teo an -dalantsara izy, dia natoron’ ireo ny birao misy an’i “Mose” Randrenja anisan’ny mpiasa ambony ao amin’ ny ministera. Nandona Rakoto, ary feon- jazavavy mikarantsana no namaly hoe: “Oui” Niditra izy nefa somary niahotra kely nahita tovovavy tsara fitafiana no toa misarina saribakoly amin’ izato endrika voavoatran’ny fanatsaran- tarehy. -Ato ve anaka no misy ny fiasan’ Andriamatoa Randrenja? hoy Rakoto - Eny tompoko hoy ilay zazavavy. Inona izay itadiavanao azy izay? - Misy resaka kely tiako hatao aminy, anaka , hoy Rakoto. -Tsy azonao lazaina ahy angaha fa izaho no sekreterany? - Izy no mba tiako hiresahana manokana , hoy Rakoto Somary niketrona ilay zazavavy. -Eny ary fa ho entiko ao aminy ny hafatrao, hoy izy, nefa asa raha afaka handray anao izy na tsia fa betsaka ny raharahany. 21-Zoma 10 oktobra 1969; IV lah 4032 Lasa nankao amin’ny efitrano nifanila tamin’ny nisy azy ilay zazavavy. Rakoto kosa nanindry ny fihetseham- po isan- karazany nahazo azy teo ambony seza. Afaka minitra vitsivitsy dia niverina Rakalakely nilaza fa afaka handray azy ny lehilahy. Tovolahy tsy ampy efapolo taona akory, toa tsy nokasihin- dalitra, ary vonombonona fihetsika no nandray an- dRakoto, fa avy eo an-damosin’ny latabatra niavosan’ny antontan- taratasy maro. - Mandrosoa ianao tompokolahy, ary mipetraha etsy ambony seza. Misaotra Andriamatoa hoy Rakoto naka toerana. Rehefa vita ny fifanatsafana dia nanomboka ny resaka Rakoto; - Asa raha mahatsiaro ahy ianao anaka na tsia, hoy izy, fa izahay sy tompokolahy Rakotoarindrenja rainao dia tena mpisakaiza tokoa, hatry ny fahakelinay mihitsy. Miala tsiny aho tompoko, hoy Randrenja, fa tsy mahatsiaro anao. Be rahateo koa moa ny olona mifanerasera amiko ka … -Tsy misy fahadisoanao izany, hoy Rakoto. Mbola kely ianao raha niaraka izaho sy rainao. Izahay roalahy no azo natao hoe: “ vary sy rano” ary tena nifampihinana ny manta sy ny masaka mihitsy. Izaho dia nahatsiaro tsara ny nahazaza anao, ary tsaroako koa ny teny fanaon- drainao hoe: “ Ny ahy io Rakoto tsy avelako raha tsy manakatra fahaizana hatrany am- pitan’ny ranomasina” fa fahiny mbola kely mantsy ianao dia efa kinga saina. Ary dia tanteraka tokoa izany ankehitriny, fa tafita tamin’ izany ianao. Na tsy eo intsony aza izany, dia faly kosa aho mahita ny zanaky ny sakaizako tafasondrotra tahaka izao; Izany no ela anaka fa fantantsika Malagasy moa ny mifanonotonona sy mifampitantara amin’ny fotoana ifankahitana tahaka izao kanefa ataoko mahafaly anao ihany ny mahare izany. - Misaotra anao tokoa nanazava,tompoko, ary dia faly mahalala anao koa. Izao mantsy voa tsaroako fa raha niresaka i Dada fahavelony dia mpitantara izany Rakotomanana, izany, ary ataoko fa ianao io. - Izaho dia izaho tokoa anaka ary faly aho mandre fa hay mba manana toerana kely teo amin’ny resaka nifanaovanareo mianakavy ihany aho.

X - Nolazain’i Dada ahy tokoa ny fifankatiavanareo, hoy Randrenja, ka inona ary tompoko no azoko hanampiana anao? 22- Sabotsy 11 oktobra 1969; IV lah 4033 Miala tsiny mialoha aminao aho anaka fa ho lavalava ihany ny resaka ary miangavy anao aho mba haharitra hihainao. Zava- dehibe iankinan’ny ainay mianakavy kely mantsy no ho lazaiko anao, ary aleoko maty na tsy holazaina anao toy amin’ny fahavoazako toy izao no tsy ho vonjenao. - Momba ny inona ary tompoko fa mihaino aho -Tsy momba ny inona akory fa momba ny fiainana, hoy Rakoto, ary antony telo no nahatonga ahy hankaty aminao. Ny voalohany dia ny fisakaizanay sy itompokolahy rainao, izay vao nolazaiko anao teo. Ny faharoa dia ny maha kristiana ahy no sady reko rahateo ny fahalalam- ponao amin’ireo atao ho an’ny Fiangonana. Ary ny fahatelo dia ny finoako fa amin’izao toerana misy anao izao dia afaka hanampy ahy ianao. Saiky hangataka fihaonana tamin’ny minisitra aho, nefa reko fa lasa any an- dafy izy ka tsy ho tafaverina raha tsy afaka tapa- bolana.Ny fahavoazana mahazo ahy sy ny fianakaviako anefa dia manery ahy hikaro- dalana anio dia anio ihany fa tsy hiandriandry. Ary raisiko ho fitondran’ Andriamanitra ny mahaeto anao izay olom- pantatra na mahafatra- po ka azoko ilazana tsy amim- pihambahambana izay rehetra mahazo ahy. - Ny olon- kafa tokoa aza henoina, hoy Randrenja ka mainka fa ianao sakaizan’ny maty; tsy hanongilan- tsofina ve? - Ataoko aloha fa efa fantatrao ihany ny zavatra sasany hoy Rakoto. - Raha tsy diso any fahatsiarovako dia voasesitany tany Nosy lava ianao. - Marina izany anaka, kanefa dia tahatahaka izany izany no fantatro, fa ny ankoatran’ izany dia tsy mahalala firy aho. - Manahirana sady sarotra tantaraina, anaka, hoy Rakoto. Raha ny mitranga talohan’ny tabataba, dia tsy hilaza aho na dia mba misy ihany aza ny kely fantatro toy ny korontana nataon’ny vazaha sasany taloha kelin’ny fipoahan’ny raharara sy toy izay ren’ ny namako efa maty. Tsy hilaza aho satria tsy hamoa fota – mandry no anton- diako .Koa ho dinganiko koa ny fomba famotorana sy ny fitsarana anay na ny sazy nampiharina taminay. Ny nozakaina tany an- tranomaizina fotsiny no asiko teny kely ary ataoko ohatra ny nahafaty ny zanako lahitokana raha mbola tany nosy lava aho. - 22- Nangirifiry izany satria zanaka tiana no tsy nalevina, ary fantatra fa ny tsy fahampiana koa no nahafaty azy. - Nozakaina anefa izany fangirifiriana izany satria be ny fanantenana hisian’ny andro mihiratra aorian’ny alina mikitroka. - Fanantenana anefa no betsaka fa hatrizay ka hatramin’ izao dia tsy na inona na inona mba ho vokatry ny fihafiana. Na izay hamidy vary atokona aza tsy misy, ary izao indray koa voaroaka hiala amin’ny trano itoerana. Koa izany no anatonana anao anaka fa sendra ny tolona tsy omby tratra. Ary na tsy ao aza ny minisitra dia ianao… -Manao azafady aho hoy ingahy Randrenja manapaka ny teninao, inona moa fa tsy dia mazava amiko no heverinao fa hahazoako manampy anao. - Tsotra ihany, hoy Rakoto, mba te hahalala aho anaka raha misy hevitra ahazoana mamerina ahy amin’ ny asaka mahampampianatra. Izay no tena nitadiavako an’ Ingahy minisitra , nefa hoy aho hoe io ianao eo. - Firy taona moa ianao? -Roamby enimpolo, anaka, ary ny amin’ ny taona dia ekeko fa efa mihoatra ny fotoana ahazoako miasa aho, nefa mba tiako ihany ny hahafantatra … -Mbola manapaka anao ihany aho azafady, hoy Randrenja. Raha ny amin’iny lafiny iny dia malahelo milaza aminao fa tsy misy azo atao mihitsy; - Tsy azo atao ve anaka ny manisa ireo andro very tamin’ny tsy ara- drariny tany am- ponja, mba hahazoako mamelona ny vady aman- janaka. Marihiko tsara fa tsy ny tenako loatra no mahamaika ahy fa izy mirahavavy zanako. Izy roa kely no mahatery ahy hitotototoako tahaka izao. - Mazava amiko tsara izany ry Ingahy Rakoto. Kanefa misy lalàna mifehy ny tany sy ny fanjakana; Ao rahateo koa ny fanamboarana tsy maintsy hatao mba tsy hahatonga ny mpiasa efa zokiolona tsy hibahan- toerana ka tsy hahafahana mandroso, ary mba hitsitsiana ny volam- panjakana. Koa malahelo aho fa tsy ahazoana manome fahafaham- po anao amin’ izany; -Misy ny didy aman- dalàna anaka nefa mba misy ihany koa ny antsoina hoe “noho ny antony manokana” ary tsy vaovao amin’ny fitondram- panjakana izany.

XI -Angamba mety hisy ny antony manokana ry ingahy Rakoto, kanefa aoka ho fantatrao fa tsy vao ianao akory no nangataka zavatra toy izao; 23 – Alatsinainy 13 oktobra 1969, IV lah 4034 - Ka atao ahoana ny ho fanome anao kanefa tsy hanome ny hafa? Heverinao fa dia hifanaraka amin’ny rariny sy ny hitsiny ve izany ? - Be ny zavatra azo tantaraina , hoy Rakoto somary nisondrotra izy. Raha ny rariny sy ny hitsiny no resahina: ohatra mifanaraka amin’ny rariny sy ny hitsiny ve ny nandefasana ny tia tanindrazana tany an- tsesitany satria nitady ny fahaleovantenan’ny fireneny izy. Moa mifanaraka amin’ny rariny sy ny hitsiny ny nahafatesan’ny zanako lahitokana izay nantenaiko ho kolokolo dimbin’ny vary? Moa mifanaraka amin’ny rariny sy ny hitsiny izao mahazo anay izao tsy mahita na izay harapaka aza; - Marina tokoa ny teninao ry ingahy Rakoto, fa mety ho betsaka ny zavatra azo tantaraina kanefa averiko aminao fa manana lalàna isika ary amin’ izao andron’ny fahaleovantena izao dia voalohan’ adidintsika ny manao izay hanajana izany lalàna izany mba tsy hitongilanany ho atsy na ho aroa, ka ahazoana mampihatra azy amin’ny fomba mitovy amin’ny olona rehetra. - Kanefa anaka raha lalàna tsy ahafahana mamonjy izay tokony ho vonjena, ka atao fefy tsy hijerena izay ao anatin’ny fahantrana sy ny fahoriana dia heveriko fa manjary fanandevozana ho an’ny madinika izany. - aoka tsy ho diso fiheverana amin’ izay nolazaiko ianao, hoy Randrenja, ny namerenana anao amin’ny asanao taloha no nangatahana koa dia nampatsiahy anao ny didy aman- dalana izay aho. Izany anefa tsy manao hoe: tsy misy zavatra hafa atao amin’ny madinika, amin’ny sahirana ! ohatra izao misy ny sampan-draharaha karakarain’ny tanàna izay manome fanampiana ny tokony homena. - Marina tokoa fa misy izany. Ary izahay dia mba nahazo fanampiana avy tamin’ io sampan- draharaha io ihany. Inona anefa no azo tao: vary kely sy hena kely mila tsy ho ampy ho an’ olon – drery akory. Nandritra ny herintaona ihany koa no nahazoana izany satria vonjy poritra ny fanampiana, araka ny nolazaina anay rahateo fa tsy antoky ny mandrakizay; Ohatra ihany no nilazako an’ iny hoy Randrenja, fa eo koa ny zavatra hafa ; ohatra indray koa angaha fikarakarana sy fanavotana ireo fanananao izay mety ho nitobatobahan’ny hafa. -Tsy misy tsy natao izany, Andriamatoa , kanefa niala maina fotsiny tahaka ny nandevina amboa.

24- Talata 14 oktobra 1969 , IV lah 4035 - Fa ao rahateo mantsy ny didy aman- dalana lazainao ary rehefa dinihina iza ireny dia sarotra amin’ny madinika, sarotra amin’ny tsy manam- bola ny hikarakara na dia ireo kojakoja mikasika ireo fanampiana aza. Mba hilaza ohatra aminao koa aho: nisy olona mba antra anay ka nanome tany hovolenay, ny fitaovana ho enti- miasa anefa no tsy misy, ka dia nitady lalana hahazoam- bola mba hividianana; novoriana ny taratasy isan- karazany nilaina, ary lany nikarakarana an’ izany izay vola kely teo am- pelatanana tsy nahazo na dia varifitoventy aza anefa fa hoe: “ tsy ampy antoka “ etsetra. Lasa indray nanatona ilay olona mpampisam- bola, nefa tsy nisy koa ny atao antoka ary ny zana- bola alainy tsy eran’ny aina. Izany anaka no anaovako hoe: efa natao daholo izay azo natao, ary aty aminao sisa fanantenako, aza atosiboho- tanana. -Ho niriko tokoa ry ingahy Rakoto ny hanampy anao, saingy tsy hitako izay azo atao anao indray fa hoe izany izy efa vitanao daholo izay azo natao… Ary mbola bebe ihany ny asako ka miangavy anao aho afohipohezo ihany ny resaka. - Eny ary, hoy Rakoto fa tsy hitana anao aho. Tsy hiteny anao amin’ny mahampiasam- panjakana anao aho fa amin’ny mahazanaky ny sakaiza kosa. Dia tsy mba azonao atao ve anaka ny hampisambotra vola valo arivo. Famonjena lehibe ho ahy tokoa izany, fa ahazoako manokatra varotra kely hamelomako ny vady aman- janaka. Ary minoa ianao fa raha vao tafarina kely foana aho dia honerako ny volanao fa tsy hiandrasako… -Nitsiky malefaka Randrenja no sady nitsangana. Hanazava aminao aho ry ingahy Rakoto satria hitako fa diso fiheverana tahaka ny olona betsaka ianao, hoy izy. Izahay itony anie no mby amin’ilay fitenenana hoe: “ be am- pitazanana fa tsy azo andraofana”. Ny mpitazana dia nanambara fa vola be no miditra aminay mpiasam- panjakana nefa tsy hitany fa mila tsy haharaka ny miditra ny mivoaka. Tsy hitanisa aminao ny adidy maro samihafa izay lolohaviko aminao aho fa aoka dia ho tsoriko ny teny. Tsy afaka hampisambo- bola anao mihitsy aho ry ingahy Rakoto. -Aiza re anaka, ka dia … - Ary izao koa anie ry ingahy Rakoto e! hahavita varotra inona moa izay vola valo arivo ? - Misy mba efa noheveriko ihany, anaka, matoa izany notononiko ary..;

XII -Kanefa malahelo aho fa tsy misy azo io atao mihitsy na dia izay aza ary, hono ho’ aho, ataoko fa fantatrao dokotera Rajoelina ka … - Aoka anaka, hoy Rakoto nanapaka ny teniny.Tsy misy tsy noteteziko rahefa olom- pantatra, kanefa fialan- tsiny hatrany no azoko. - Ka tsy hita ange ry ingahy Rakoto fa samy manana ny fahasahiranany daholo ary vitsy no afaka hilaza amin’ izao fotoana izao fa manana ny ampy. Eny ary, anaka, niteny mora, rahoviana tokoa moa no ho ampy ny olona ny vola miditra aminy? Ny tsy manana mitady ny hanana bebe kokoa, ny efa manana mikaroka ny hanatevenana izay efa eo am- pelatananany, hany ka dia tsy afaka mifamonjy. Koa satria efa tsy azonao atao ny hampisambo- bola ahy, dia ity no angatahiko aminao; moa tsy vao nahavita trano ianao? - Tsy mbola vita tanteraka fa … - Fantatro izany, nefa tsy manana izay hipetrahana mihitsy izahay, anaka, ka raha mba misy efitra iray azonay hialofana aloha, ary na dia hoe eny an- tokotany aza… - Raha azo natao dia natao tokoa hoy Randrenja, saingy fantatro fa misy anie ny lalàna mifehy ny fahazoana mipetraka amin’ny trano. Ary izany no ilazako aminao fa mbola tsy vita tanteraka izy io. Ao ny rindrina efatra, ny tafo, ny varavarana sy ny varavaran- kely kanefa tsy mbola arak’ izay voatondron’ny lalàna ny fahavitany, noho izany tsy mbola azo ipetrahana .

26- Alakamisy 16 Oktobra 1969, IV lah 4036 Mba mihafihafy ao izahay mianakavy hoy Rakoto, fa tsy zara aza ve mahita izay isitrihan’ny loha. - Izahay mpiasam- panjakana no voalohany tokony hanaja ny lalàna, hoy Randrenja, mba ho modely halain’ny hafa tahaka ka tsy azoko hatao mihitsy ny hamela anao hipetraka amin’ io trano io. Ny eritreritro koa tsy mety raha hamela anareo ho amin’ny trano tsizarizary hanimba ny fahasalamana. - Tsy ny ho salama intsony izao anaka no tadiavinay mianakavy fa ny ho faty na ho velona ho problema mipetraka. Raha mbola ho lanahin’ny adisaina toy izao izahay angamba tsy haharitra iray volana akory dia ho faty.Vonjy aina izao itadiavako anao izao anaka. - Ary nahona kosa moa no tsy mangataka andro amin’ny tompon- trano ianareo. -Nandritra ny roa taona aho no nangataka andro foana ka efa tsy maharitra intsony ny tompon- trano efa nivoaka rahateo ny didin’ny fitsarana mampanala anay ka tsy misy ahazoanay mijanona intsony. Tsy hitako akory izao izay hitondrana ilay zanako vavy kely manavy. Izay indrindra anie no itenenako hoe tsy mety ny hametrahana anareo amin’ny toerana tsizarizary fa he izany tsy fahasalamana efa mahazo ny ankizy. - eny , kanefa aleo toerana tsizarizary toy izay mandry ery amoron- dalana - Ary angaha dia tsy misy havana mety hampiantrano anareo? - Izaho no lohany aminay mianakavy anaka, ka aiza no izaho indray no hialokaloka any amin’ny hafa, ary tsy azo afenina fa sahirana daholo koa ireo havana. Koa raha mba misy azonao atao, anaka, araka ny fanahy kristianina, dia mba avoty re, tena latsaka ambany mihitsy e!.. Nanezaka araka izay tratra ka nanenjana ny feony nefa tsy nety fa toa nangovitra ihany, hany ka tsy nanohy intsony izy na dia saika mbola hiteny aza. -Malahelo aho ry ingahy Rakoto nefa tena tsy hitako mihitsy izay hatao. Angamba raha afaka fito na valo volana any dia mety hisy azo atao, fa izao dia ity aloha vola dimampolo.Kely tokoa kanefa raiso fa amim- pitiavana no anolorako azy anao. - Tsy ny hangataka an’ ity no anton- diako hoy Rakoto, fa ny hikaro-dalana hamonjena ny vady amam- janaka. -Ekeko izany, hoy Randrenja nitsangana nefa tsy mbola misy azoko atao mihitsy ka dia miala tsiny indrindra aho. 27- Zoma 17 oktobra 1969, IV lah 4037 Ary misy dossier maika ireto ka voatery hanapaka ny resaka aminao aho. Nandendeha fotsiny izy ary nahita dabilio vato tery anilan’ny gara vao tafapetraka fa nifamatotra nila tsy ho afa- mamindra intsony ny tongony. Ny vatana moa nitofezaky ny hanoanana fa zara raha nihinana tapa- bilia isan’ andro, ny saina jenjina nifanotofan’ny eritreritra amam’ ahiahy tsy hay lazaina. - Notazaniny ny mpandalo toa samy maimaika avokoa, toa tsy misy izay nijery azy akory. Tsaroany ho irery dia irery teo anivon’ny maro ny tenany, ary nampangirifiry azy ery ny nieritreritra izany. Nisento izy dia nitsangana nanohy ny diany. III- Nanohy ny diany Rakoto ho any an- trano fa aiza moa no halehany ankoatra ny trano. Tao ny eritreritra toa tsy te hifanatri- tava intsony amin’ny vady amam- janaka, nefa tao koa ny kofehy tsy hita maso nanintona azy hiverina tsy araka ny nahim- pony.

XIII Ravao no toa niantefan’ny hatezerany raha vao tonga tao an – trano izy, ka nahita azy nitanondrika tamin’ny zaitrany. - Fa angaha ity ianao tsy nandeha nivarotra tany an- tsena? hoy izy, andro zoma fanararaotana anefa anio? - Nampitndraiko an- dRazanany atsy an- drefana izay kely viako, dia mosara telo sy akanjom- jaza roa , hoy Ravao. - Lalina indray izany, hoy Rakoto, nanao hehy valaka. Dia heverinao fa hivarotra ny zaitranao Razanany . Tsy ny azy aloha no hamidiny, tapitra lafo angaha ny azy ka tsy mifaka aho. 28- Sabotsy 18 oktobra 1969, IV lah 4038 Mbola olona tsara ihany Razanany, hoy Ravao ary na te – hoany an- tsena aza moa aho, aiza no hamelako an’i Noro irery amin’ izao tsy fahasalamany izao. - Misy marina ihany tokoa ny teninao, hoy Rakoto - Ka misy vaovao ve Rakoto tany amin’ izay nalehanao tany hoy Ravao somary nangata- maso? - Tsy hitako izay holazaina anao hoy Rakoto , nanala ny satrony mbola teny an-dohany. Nanaraka ny teninao araka ny tsipi- hevitra nataon-dRanaivo, tany amin’i dokotera Rajoelina aho, navaloko daholo ny hambom- po sy ny henatra ka notantaraiko taminy tsy misy nafeniko izay rehetra mahazo antsika. Tsy misy anefa hono na inona azony atao amintsika. Vola efapolo no nomena ahy ho fanampiana.Tany amin’ny zanaky ny sakaizako dia Randrenja aho, izay ataoko fa tadidinao tsara, fa mitana toerana ambony eny amin’ny ministera ilay zazalahy. Tsy misy koa na inona na inona azony atao afa tsy ny nanome vola dimanpolo.Totaliny,vola sivifolo kanefa hahavita inona izay?ny zaza marary, ny trano hialana , ny hanina tsy misy …. Ny zaitranao toa tsy hitsy mpividy akory …90 hahavita inona amin’ izany rehetra izany sy ny tsy anononana izay sivy folo. Kepoka tsy nahateny Ravao fa izay nahiny indrindra no nitranga , dia ny tsy hahitam- dRakoto valiny any amin’ ny alehany, ary anefa izy indrindra no nampirisika amin’ny hoe tokony handramana daholo izay ala- nenina sao mba misy vonjy ihany; Niondrika izy fa tsy nahajery akory ny endriky Rakoto; nisoritan’ny hakiviana sy hatezerana ary famoizam- po; Ary angaha ianareo tsy tany amin’ny hopitaly indray? Hoy Rakoto. - Tany, hoy Ravao , nefa tsy dia misy inona akory, hono, ny mahazo an’ i Noro fa harerahana no betsaka, hoy ny dokotera, sakafo metimety no asainy atao ho azy. - Sakafo metimety! Hoy Rakoto.Mba mahay manamora zavatra izany dokotera izany .Sakafo ratsiratsy aza tsy hita ka sakafo metimety…Ary nahoana no tsy mijanona tany amin’ny hopitaly ianareo. - Niangavy tamin’i dokotera tokoa aho mba hitanana anay, kanefa izay lazaiko iza ny fa tsy ilaina fipetrahana eny amin’ny hopitaly akory ny aretin’i Noro, tsy misy rahateo koa ny toerana fa ny marary misy miray fandriana, ary misy aza manao ladina an- tany .Koa vao mainka hitombo aza ny aretina hoy izany; raha izao izy no tazonina eny. 29- Alatsinainy 20 oktobra 1969, IV lah 4039 Ary heveriny ho sitrana izany i Noro raha eny an- tsisin –dalana isika no mandry. - Aoka re Rakoto a! tahian’ Andriamanitra ianao, hoy Ravao nifanaremotra. Mamoi- fo ka …. - Tsy mamoifo aho fa mieritreritra ny fiainana eto an- tany, hoy Rakoto nihenjana. Mieritreritra aho fa rahoviana ny mahantra no mba hisy mpangoraka? Toa tsy hisy mihitsy raha tsy efa any ambany rangolahy…. - Rakoto o! hoy Ravao …tahatahaka tsy nahare ny feon- dravao nitalaho akory anefa Rakoto. - Hatonina ny mpanakarena mihodina, hoy izy, idodododoana ny heverina ho mahatsapa ny fahorian’ny tena, araka ny mahaolom- belona, miala olana. Hanazavana ny mpiasam- panjakana, ny lalana sy ny didy no ventesiny ..Ny fahafatesan’ny mahantra koa angamba fehezin’ny didy aman- dalana. - Sempotra Rakoto ka nitsangana , nivezivezy niasa dia eran’ny trano. - Ho any Rajery sy ny mpiasany handroaka antsika. Aiza no haleha? Garazy aza tsy azo, ny hopitaly, tsy misy toerana ho an’ny zanako marary. - Tsy naharitra Ravao ka nitsangana koa dia namihina ny sandrim- badiny, Rakoto ô! Hoy izy, Lefafiko ny faladianao, toneo re ny fonao! Fa na ny fahasalamana aza anie… - Tsy mba mieritreritra angaha ianao ka ny hoe mitonia fotsiny no lazainao. Jereo anie izato ianao aza e! tsy mihararetra andro aman’ alina ianao; mikokotra manjaitra, nefa tsy mahazo na dia izay hividianana akanjo ho an’ny ankizy akory aza.

XIV Ny tanana foana no mangovitra vizaky ny mitana fanjaitra , ary ny maso pahiana amin’ny fiaretan- tory….An …an ..tsy misy rariny eto amin’ izao tontolo izao ary na izay Andriamanitra izany aza mampisalasala ny fisiany… Nahodin- dRavao ny resaka fa tsy hitany izay hambara. - Efa tonga ihany ianao hoy izy, ka hovitaiko ity zaitrako it y dia andeha hivarotra azy aho fa ianao no miandry ny ankizy. Tsy nahavaly Rakoto fa dia lasa nitombina teo ambony vata. Tsy hita ! hoy ny fiangonany, tsy hita mihitsy ! … Injay anefa misy manao “ haody” ! Namaly mandrosoa Ravao. Ka nitsangana indray izy handray ny vahiny; tsy iza no niditra fa Razanany . 30- Talata 21 oktobra 1969; IV lfah 4040 Ka nanao ahoana izato dia? Hoy Ravao -Eisy! hoy Razanany saikatra mafy. Asa na ahoana na ahoana fa mandalo fotsiny ho’ aho ny olona. Tsy nahalafo afa tsy lamban- databatra iray tamin’ny ahy aho, dia izay. Ireto nentiko niverina ireto ny entantsika, ary miala tsiny aminao aho raha nandiso fanantenana anao. - atao ahoana mpa rehefa nanao fa tsy nambinina hoy Ravao.Inona no ialanao tsiny amin’ izany, ranona. Fa hono , ho’ aho, sao mba mahita trano ianao, na dia hoe efitra iray aza, fa roahin’ny tompon-trao izahay ka voatery tsy maintsy miala? - Tsy mahita aho Ravao .Ny anay koa dia io efitra iray io no ipetrahanay mianakavy. - Mba jerijereo ihany sendra mahita ianao fa lalina ny mahazo. -Eny hoy Razanany, fa dia hanao veloma anareo aloha, ary mampamangy ny ankizy tsy salamalama Vao nidify Razanany dia niraika Rakoto -Inona no nolazaiko anao? hoy izy. Razanany ve dia hisahirana hivarotra izay zaitranao, tsy ny azy no hamidiny.Samy mikarakara tena izao fa angaha misy mahalala ny hafa intsony. - Aza manome tsiny ambony ihany ianao Rakoto, hoy Ravao. Izaho koa rehefa mandeha ireny dia tsy mahalafo na dia varifitoventy aza indraindray. Ary aleo aloha handeha izahay sy Nivo vetivety, fa mba misy ihany ny mividy rehefa hatonina any an- tranony .Ho entiko Nivo sao mba hampangoraka ny olona ny mahita azy. Nisinda ihany indray ny hatezeran- dRakoto nony nahita ny endriky Ravao nisoritan’ny alahelo sy fikirizana nifangaro. Saika hanao teny manambitamby taminy izy, nefa toa tsy hainy intsony izany, hany heriny nanolotra ny vola avy tany am- paosiny. - Ireto ny vola nolazaiko anao teo, hoy izy. Andro hafa mivarotra zaitra fa mividiana aloha vary sy kitay sitrany ahaty mba tsy mandry fotsy anio alina! Lasa Ravao sy Nivo. Rakoto kosa nivadika tao an’ efitra nizaha an’ i Noro. Rotidrotika ny fony nikery an- janany miforitra kely etsy ambony fandriana, mahia dia mahia, mirakotra lamba rovidrovitra. Natsotrany ny tanany hanafosafo azy, nefa naveriny indray fa tsy foiny ho tairina tamin’ny torimasony i Noro ….Hany heriny dia nibanjina azy dia mandrotsirotsy an’ eritreritra

31- Alarobia 22 oktobra 1969, IV lah 4041 Nony kelikely anefa tsy tantiny ny hijery fotsiny nefa tsy hanao na inona na inona amin’ity menaky ny aina. Niverina tao an’ efitranony Rakoto, tsy nahatombina anefa, fa nosaviritahan’ny eritreritra ka mbetika niasa dia, mbetika niankina teo an- doha fandriana . Fa toa nihamaizina ihany ny fiainana ary tsy hita na dia izay hirika kely akory azo mba hivoahana. Havana akaiky heverina fa hanampy amin’ny fahoriana, namana sy sakaiza nantenaina, hanolo tanana amin’ny andro sarotra, olom- pantatra nandrandraina mba hanome na dia torohevitra fotsiny aza no samy mihodina tsy mety mijery…. Ary Andriamanitra ahoana? Moa tsy fandre matetika ny hoe:” Andriamanitra tsy manampy izay tsy manampy ny tenany” kanefa na dia teo aza izay rehetra noheverina fa azo natao dia toa nangina koa izy … “ Efa nataoko tokoa izay azoko natao, hoy Rakoto anakampo, Ary na ny mahaolona ahy aza nohambaniakao fa ny hajako, ny hampom- poko, ny fahaizana kely mba nananako, nataoko mora vidy, hahitako famonjena hialana amin’ny toerana mangitsokitsoka misy ahy, kanefa very maina izany rehetra izany. Ary ireto vady aman- janaka miandrandra ny tena ho andry iankianana sy vato andiavana, nefa jerena, fotsiny toy ny tany nahalavoana. Moa tsy ho azy ireo indrindra, ho an’ny hoavin’ny ankizy no namoizana izay heverin’ny sasany ho fiadianana ka nahasahiana nisetra na dia ny fahafatesana aza! Mby ankehitriny anefa, aiza izay valin’ny nizakana ny ngidin’ny tranomaizina sy ny sesitrany.

XV Nandevilevy sy nahamay tahaka ny nisy rano mangotraka tao anatin-dRakoto. Nihidy mafy ny vazany toy ny fihidin’ny vazan’ny olona niriotra fangirifiriana mafy; Nisy nandona naharitraritra tao am- baravarany vao niverina ny sainy lasa lavitra dia lavitra - Mandrosoa tompoko, hoy izy; somary niahotra nahita an’ ingahy mpitandrina .Tonga hamangy fa efa ela ihany izany tsy nifankahitana izay, hoy ny mpitandrina, ary raha tsy diso aho dia ry Ramatoa izay hitako teny ami’ny hopitaly izay. -Tsy diso ianao fa izy tokoa hoy Rakoto. Nanao tsy metimety kely i Noro ka nentina teny, kanefa efa nahazo fanafody ary dia naninona loatra intsony. Somary gagagaga ingahy mpitandrina nahita an- dRakoto toa hafahafa endrika matoa tsy dia nazoto niresaka hany ka tsy nihambahamba izy nanontany. -32- Alakamisy 23 oktobra 1969 , IV lah 4042 Toa misy manahirana anareo no fijeriko azy izany, hoy izy. Aza mihafahafa ry ingahy Rakoto fa sao misy ahazoako manampy anareo -Miteny am- pahatsorana ianao ka dia mamaly am- pahatsorana aho, hoy Rakoto. Tsy afeniko anao fa tsy dia mazoto loatra hiresaka aminao aho. Tsy hitako mantsy izay ho lazaina anao. - Raha misy mavesatra amin’ny eritreritra hoy ingahy mpitandrina, dia mba ilaina ihany indraindray ny mamboraka azy. Marina fa izahay mpitandrina dia tsy afaka manome fahafam- po ny olona amin’ny zavatra rehetra, nefa mba hisy azonay hatao ihany, na dia torohevitra fotsiny aza. Naka toerana teo ambony vata araka ny mahazatra azy Rakoto dia nanatrika tsara ny mpitandrina; - Eny ary, ry ingahy Pasy, hoy izy. Efa togna ianao ity ka iza moa no mahalala raha tahiny ka misy azonao atao tokoa ? Hoborahiko aminao ny zavatra sasantsasany tiako hanontaniana: -Lazao fa vonon- kihaino atokoa aho , hoy ingahy mjpitandrina; - Izao, hoy Rakoto, voalaza araka ny fampianarana efa fantatrao rahateo fa ny fivavahana kristiana dia miseho amin’ny fitiava- namana: -eny hoy ny mpitandrina -Nanatona olona vitsivitsy hoy Rakoto, na maromaro mihitsy aza no azo ilazana azy, satria tato anatin’ny telo sy efa – taona izao dia tsy nanan- katao aho, afa tsy ny mikaroka lalana hahazoako manarina indray ny fiainako fa izay rava tamin’ireny tabataba ireny. Na ny olona ambony sy manan- kaja, na ny mpivarotra azo antsoina ho namana, na ny namana azo heverina ho namana hanampy dia samy nohatoniko daholo, nefa izay nanazavako ny olako nitadiavako fanampiana, dia hany niala olana tamin’ny fialan- tsiny isan- karazany.Koa ankehitriny dia mpihatsara- velatsihy no andraisako ireny mitonona ho kristiana ireny… -Azafady fa tapahiko kely ny teninao, hoy ingahy mpitandrina, satria toa tafahoatra ny filazanao azy. Araka ny fandinihako dia amin’ny ankapobeny mihitsy no misy toy ny fizahan- toetra mahazo ny firenena, ary tsy tokony hatao mahataitra loatra izany satria zavatra tsy maintsy mitranga amin’ny fiovan- tsata toy izao ary teraka avy amin’ izany koa ny fiahiahiana samihafa, izay mahazo ny olona indrindra fa ny mpanan- karena ka nahatonga azy ireo hirosarosa be ihany….. amin’ny fampitomboana ny teo- kareny …… Manaraka izany, dia aoka tsy adinoina ry ingahy Rakoto, ny olombelona anie akory tsy anjely ka na izaho aza dia mety hahitanao kilema be dia be. Somary nikohokohoka Rakoto Tsy izany anefa hoy ny mpitandrina, no hilazantsika fa mpiatsaravelatsihy daholo ny rehetra. Mba misy ihany koa ny azo lazaina fa manao ny adidiny tokoa . - Ny fijerinao no izany, hoy Rakoto, fa raha tahaka ahy, dia averiko aminao indray fa nikaroka nandritra ny efa – taona aho nefa tsy nahita. Fantatro fa misy olona mazoto mamonjy fotoana any am- piangonana saingy ny tsy fantatro dia ny mahakristianina azy. - Mety ho fomba fijery avy ety ivelany ihany izany ry ingahy Rakoto. - Efa tao anatiny anie ry ingahy Pasy, hoy Rakoto, ary azoko lazaina fa tamin’ny fotoana nahazoako nanao izany dia isan’ny nafana fo tokoa aho … Saingy fe ankihitriny aleoko tsy miady hevitra. - Tiako anefa raha mba mamboraka tanteraka izay hevitrao ianao. - Ianareo, mpitandrina , hoy Rakoto , rehefa mahita ny mpiangona betsaka , ka vita ny rakitra, ary heverinao fa ampy amin’ izay ilana azy dia afa- po.Tsy dia omen- tsiny ianareo amin’ izany …Kanefa ankoatra izany koa dia heveriko fa misy aza marobe tokony hahadodona ny kristiana ny hanao azy satria asam- pamonjena. Toa tsy mihontsona amin’ izay zavatra hitany marain- tsy hariva.. - Izay no anaovako hoe, tahaka ny mijery ivelany ihany ianao hoy ny mpitandrina nanapaka ny tenin- dRakoto.

XVI - Tsia ! hoy Rakoto nihenjana, ary dia mbola tsoriko aminao ihany koa ry ingahy Pasy fa na dia ny fisian’ Andriamanitra aza dia mampisalasala ahy ankehitriny; Angamba raha misy izy dia tsy mikarakara loatra ny zavatra madinika eo amin’ny fiaianan’ny olona fa ny ankapobeny fotsiny. -Diso hevitra ianao ry ingahy Rakoto,satria ny tsirairay sy ny isam- batan’ olona mihitsy ny karakarain’ Andriamanitra …Na dia ny fiarovany anao tamin’ny fahafatesana tany am- pona na tany an- tsesitany aza ve tsy fahagagana nataony? 34- Sabotsy 25 oktobra 1969, IV lah 4044 Izany indrindra no mahalasa ny eritreritro tompokolahy, satria mihevitra mihitsy aho fa raha tamin’ ireny fotoana lazainao ireny aho no maty nisy nangoraka sy ho nisy nanampy ny vady aman- janako. Fa ankehitriny dia manjary fandatsana ahy ny fahagagana ambaranao. - Tsy izany, manjary fandatsana ahy ny fahaleovantena, fandatsana ahy ny fiangonana kristiana sy ny fampisehoana fahafanam- po tamin’ny andro fahatanorako. Fa inona no vokatr’ izany rehetra izany ankehitriny sy hitanao izao?. - Izao no izy ry ingahy Rakoto hoy ny mpitandrina nanalefaka ny feony, ao anatin’ny fahavoazana ianao ka jamban’ny fahoriana. Ary mangataka anao aho hiezaka handinika amim- pahatoniana ka handiso ny fijerinao. -Toa vao mainka nihoatra anefa Rakoto nahare izany. - Tsy ny fiainako intsony ry ingahy Pasy no mahamaika ahy, hoy izy, fa karazan’ny olona efa tapita andro aho, ka ny ho ampitson’ny zanako no mahamaika ahy. Izy mirahavavy zanako dia efa mba notorotoroiko ny amin’ny fitiavan- tanindrazana , niresadresaka koa ny amin’ny fiainana azo heverina ho misy antony sy misy hajany. Ankehitriny anefa dia maizina ny fanombanako izany fiainana izany. Ary toa izaho no manatona ny masoandron’ny olona tsy hahitany ireo. Ary tsy ny olona ihany no tsy nahita fa Andriamanitra koa. Toa tsy mahita anay mianakavy . - Tsapako amin’ izany tarehin- dresakao izany, hoy pasitera , fa mila fampaherezana ianao.Koa alohan’ny hanohizantsika ny resaka, dia aoka hano fotoam- pivavahana kely isika raha tianao. - Tsy mila izany aho ry ingahy mpitandrina.Tsy mila izany intsony aho. Marary ny zanako ao an’ efitra ao, ary efa mba mikarakara izahay. Ary raha ny amiko, dia ho niantso anao aho raha mila izany koa aoka izao ihany fa vao mainka mandatsa ahy ianao raha mitady hanao izany. - Tsy misy fatiantoka ho anao anie ry ingahy Rakoto ny fanaovantsika an’ izany? -Angamba, hoy Rakoto, nihomehy vinitra, kanefa averiko aminao fa tsy mila mpiatsaravelatsihy aho. Tsy vavaka tononina ny ahy no ilaiko izao fa vola, trano, ho anay mianakavy -Ka -raha tianao ny hampiditra anay ao an- trano fiangonana mba hitampify kely ao, dia izany no andeha ho resahina. - Zavatra tsy azoko atao izany ry ingahy Rakoto. 35_ Alatsinainy 27 oktobra 1969, IV lah 4045 Fantatrao fa ny trano fiangonana dia natao hivavahana fa tsy fipetrahana na fatoriana ary tsy izaho irery rahateo koa no mahatapaka izany.. - Hitanao izany,hoy Rakoto, tafatsangana. Izay ilainay tsy azonao atao, fa ny tsy ilainay no mahadodona anao! hevitra tsy itoviana ny antsika ka tsy ifanomezan- tsiny fa aoka samy hizotra amin’ny lalana tiany haleha.Vao mainka niseho ho tony dia tony ingahy mpitandrina no niteny tamin’ny endriny nitsikitsiky. - Izany indrindra anaka no mahamety ny hanaovantsika fanompoam- pivavahana kely hangatahana ny fahendren’ Andriamanitra hanazava antsika; - hay moa tsy miasa izany fahendren’ Andriamanitra izany raha tsy angatahina hoy Rakoto.Ary izao koa ry ingahy Pasy, na hangataka ianao na tsy hangataka , ny ahy ny fantatro dia izao : diso miasa loatra ny fahendren’olombelona ka tsy misy hiasan’izany fahendren’ Andriamanitra izany; -Misy tsy mazava aminao. - Ka dia atao ganagana misasa loha izy ity, ka samy manao izay saim- pantany. Izaho efa nilaza taminao rahateo fa tsy te hiady hevitra fa ianao no nisisika hiresaka ka izany no nahatonga izay tsetsatsetsa tsy aritra izay… Raha misy asa tianao hatao hamonjena anay dia vonjeo amin’ izao fahantranay sy fahavoazanay ireo aloha izahay. Aorian’ izany dia tsy maninona na manao fanompoam- pivavahana aza ianao. Fa raha tsy izany dia aoka hifampitso- drano isika. - Malahelo tokoa aho mahare izany teninao izany, nefa mbola mangataka amin’ Andriamanitra ihany ny mba hanampiany anay mianakavy kely. Manantena aho fa mbola hahitana fotoana hahazoana midinidinika maharitra aminao.

XVII 36- a Talata 28 oktobra 1969, IV lah 4046 Eny hoy Rakoto, raha misy ny lahatra ka mifankahita ary isika fa mba tsara ny natao dia any, tompokolahy, manohy ny dinidinika .Na izany aza, raha tahiny ka mahita hevitra hamonjena ireo zanako mirahavavy kely ianao dia ho raisiko am- pifaliana. - Zavatra tsy dia mety ho hita vetivety tahaka izao isika miresaka iza izany ry ingahy Rakoto. - kanefa dia averiko kely ihany ny tarehin_ javatra. Anio ihany izahay dia tsy maintsy miala amin’ ity trano ity ary tsy misy na dia fisoko aza azonay hidirana. Ny tranon’ olona manana tsy natao hitsofohan’ny tsy manana. Ny tranon’ Andriamanitra koa masina ka tsy azonay itampifiana. Ankoatra izany, ny trosan’ olona tsy voaefa, ny tsy fahasalamana tsizarizary. Mazava fa manjary entana tsy ahoana tsy ahoana ho an’ny eritreritry ny mpiara- belona izahay, ary efa mihodina tsy hijery anay ny kristiana , ny manan- katao. - Handeha ary aho, ry ingahy Rakoto hoy ny mpitandrina , kanefa alohan’ny handehanako dia mbola manontany kely ihany aho raha avelanao hivavaka. - Aoka ho any an- tranonao ianao no hanao izay, raha te hanao, hoy Rakoto , fa raha ny eto dia tsy hitako izay hilana azy - Tsy nahita hambara intsony ny mpitandrina ka nandray moramora ny satrony. -Eny ary fa handao anao aho aloha, hoy izy, aza mamoifo fa mbola ho avy ihany ny andro mazava. -Asa! …tompoko hoy Rakoto, tsy naka sarotra firy.Asa …fa dia misaotra anao ihany aloha amin’ny fitsidihaa ary dia mampamangy ny vady aman- janaka. Lasa ingahy mpitandrina.Rakoto niasa dia kely, dia nanopy maso tamin’i Noro tao an’ efitra. Ary eo dia nipetaka teo ambony vata indray. Nitan- takolaka ka lasa an’ eritreritra mafy. Tsaroany ho irery dia irery ny tenany. Nangina dia nangina rahateo tao an- trano .Noro moa resin- tory noho ny harerahana ary Ravao sy Nivo lasa nitady izay mba mety hividy ny zaitra kely vitany. Lasa ny eritreriny. Namohafoha ny lasa . Naminavinany ny ho avy. Nisy ny tarigetra izay napetrany. Ninoany fa marim- pototra izany, satria tsy avy amin’ny fandinihina samirery no nananganany azy ka mety ho diso fa maro koa ireo miombon- kevitra taminy. 37- Alarobia 29 oktobra 1969, IV lah 4047 Tsy nanaovany ala-safay na tsobo-dranon-ndRamiangaly ny asa natao hahatratrarana izany tarigetra izany, fa na ny ainy aza saiky nafoiny, ary tao koa ny famonoana sy fampijaliana ara-nofo sy ara-tsaina, ny gadra sy ny sesitany nanao fiavin’ny rivotra an-kadilalana. Toa tsy tsaroana anefa ireny rehetra ireny, satria niredareda tao anaty ny finoana sy ny fanantenana fa ny voa afafy tsy maintsy mitera-bokatra, ny rano atsakaina mody ventiny. Ary dia toa tanteraka tokoa izany fanantenana sy finoana izany, fa tapaka ihany ny gadra, foana ihany ny sesitany, tafaverina ihany ny fahaleovantena. Saingy… Saingy toa tsy mba nihatra mivantana teo amin’ny fiainana ny fahatanterahan’izany. Tsy dia hoe mitady filoha amin’izao sy izao izy, tsy dia hoe naniry ny hahazo ny toerana amin’ny anona sy ny anona, tsy hoe nihevitra vola amam-boninahitra.Tsia tsy izany. Fa mba nanantena kosa ny ho afaka hanohy ny asa amin- kalalahana hamboatra ny ho avy, ho an’ny zanaka amam-para, na tsy ho an’ny tena aza… Kanefa ankehitriny maizina, ary ny ho avy koa mikitroka. - Nahoana? hoy Rakoto niteny irery dia tafatsangana indray, niasa dia…Nahoana?- Kanefa tsy tokony hisy ve ny fahafahana hateraky ny fahaleovantena? Tsy tokony ho efa tazana eny am-paravodilanitra na tsy mbola ho eny amin’ny mitataovovonana aza ilay masoandro nanadrandraina rahefa afaka ny fefy voalohany nanakana azy? Nahoana?... Fa moa tsy natao daholo izay rehetra azo natao, ary na izay noheverina ho tsy tokony ho natao akory aza? Moa ny tena mba nanao tahaka ny sasany, ka nampatory na nanafina mihitsy ny dina natao?...Ka ahoana?..... Nijaridina teo afovoan-trano Rakoto toa te hambango izany rehetra izany…nefa tsy nahita valiny. Tapaka tampoka ny heviny, dia naka taratasy fotsy sy valopy tao anaty vatasarihana izy, ary nipetraka nanoratra. Vita ny nosoratany dia nataony teo amin’ny talaky maso ireo valopy. Nosintoniny avy any am-paosy kosa ny tavoahangy kely nisy fanafody. Noraisiny ny tavoara dia nampidinany rano ny tsangam-bava… …Somary niato kely izy, toa te hampitony ny fisamboaravoarana tao anatiny dia narotsany teo am- pelatanany ny pilina maromaro tao anatin’ilay tavoahangy kely… Tony dia tony ny endriny nitelina ireo pilina dia narahiny rano. Vita izany dia namindra moramora izy nanantona ny varavaran’efitra nisy an’i Noro. 38- Alakamisy 3 0 oktobra 1969, IV lah 4048

XVIII Nandingana indroa anefa Rakoto dia somary niverina, ary niakatra ho azy ny tanany namihina ny ambavafony nilelalela toy ny nodoran’ny afo. Nanao dingan-dava izy namonjy ny varavarana dia namikitra tamin’ny tolàna: - Noro a! hoy izy niantso mafy. Noro a!...Veloma!...Veloma amin’izy mianaka! Vao tapitra ny tenin-dRakoto dia niankarapoka nianjera izy, ary tsy nihetsika intsony. Fa poizina no nateliny. Niantsambotra avy tao am-pandriana, toy ny natoraka i Noro nandohalika teo anilan-drainy dia nampiarina ny lohany. - Dada o! hoy izy nila tsy hahaloa-peo, fa sady reraka no sempotry ny ranomaso Dada o! ...Maninona Dada? Dada o!... Fanontaniana tsy nisy valiny nefa ny an’i Noro fa efa nitsaha-nitempo ny fon-dRakoto. Nitsangana Noro dia niampanampana nanantona ny varavarambe niantso “vonjeo” tamin’ny feo kendakenda. Lehilahy mianaka sendra nandalo no nahare ny antsony ka avy hatrany dia niditra. - Fa misy inona anaka? Hoy ilay rangahy, taitra nahita ity zaza hatsatra dia hatsatra, mitafy lamba rovidrovitra ary mamikitra fotsiny amin’ny tolàna. - Dada!...Dada! hoy Noro, nanondro fotsiny an-drainy nivalampatra teo amin’ny gorodona dia nitolefika koa. - Ha! fa maninona ingahy ity? hoy izy. Ary toa tsy miaina intsony izy izany? Ampio aho lehitsy ry Leva, hoy izy niantso an-janany. Tazako misy fandriana itsy an’efitra itsy ka avia ho bataina hankeo aloha. -Tsy hita izay azo atao hoy ihany izy avy eo fa mandehana mihazakazaka miantso dokotera. Ilay dokotera Rajoelina atsy no akaiky indrindra avy eto ka izy antsoina. Ary dia mivilia koa hampandre an’i Pasitera. Lasa Leva dia i Noro indray no novonjen’ilay rangahy, nosafosafoina. -Nanao ahoana ianao anaka? hoy izy nahita an’i Noro nihiratra moramora. Nipendrapendrana ny mason’i Noro, dia nandinika ity olon-tsy fantany. -Tsy maninona aho akory, hoy izy…Ary iza moa ianao, azafady! Inona no ataonao eto aminay? 39- Zoma 31 oktobra 1969, IV lah 4049 Razafy no anarako, anaka, hoy ilay lehilahy. Sendra nandalo aho sy ny zanako no nahare anao niantso “vonjeo” ka tsy nisalasala niditra. -Niantso “vonjeo” hoe? hoy Noro…Ha! Izay tokoa vao tsaroako. Natory tatsy an’efitra tatsy aho, ary Dada tato amin’ity efitra ity. Tsy fantatro izay nataony tato fa tonga teto am-baravarana izy niantso hoe “Veloma ry Noro”! vao taitra aho. Saiky hanontany azy aho, nefa niankarapoka…Ary nankaiza izy? -Tsy aiza rainao, fa ao an’efitra ao ihany, hoy Razafy, fa nampaka dokotera aho hijery azy, fa aza mihetsiketsika ianao. Fa marary be angaha Dada? Sao dia lasa any amin’ny hopitaly izy? -Tsia ! ao ihany izy fa tsy lasa any amin’ny hopitaly akory - Aiza tokoa moa no hahitany toerana any amin’ny hopitaly hoy Noro, toa lasalasam- borona, nefa nahatsiarao tena tampoka indray. Aleo aho hijery ao an’ efitra fa angamba marary mafy izy! - Tsy maninona izy akory fa aza mbola mihetsiketsika ianao, hoy Razafy , nitana an’i Noro teo ambony seza. - Ka te hahita an’i Dada aho tsinona, hoy Noro , nifararemotra. - Andraso aloha rehefa avy jeren’ny dokotera izy, hoy Razafy. Nitsipalotra anefa ny mason’ i Noro ka tazany ireo valopy roa navelan’ dRakoto, ary tsy tratra dia voarainy ireo. - Inona ireto, hoy izy.Ity misy soratra heo “hoan- dRavao sy ny ankizy” ary ity hoe “ ho an’ny mpitandrina” inona no dikan’ ireto. - Aza taitra foana ianao hoy Razafy fa mbola ho hitantsika ny marina .Mbola reraka ianao ka aza mihetsiketsika aloha - -“Ravao sy ny ankizy” hoy Noro namerina namaky. Inona no ao anatin’ ity ? Aza hitako ka milaza loza! Fa i Neny efa marary fo, ka angamba hisy angano be eto … -Ataoko fa tsy dia taratasy inona ireto, hoy Razafy. Mety ho taratasy nalefan’ olona ho an-drainao ka latsaka na hadinony teo. -Tsy avy amin’ olona ireto fa soratr’ i Dada ihany. Fantatro ny sorany. Avelao ho vakiko fa nataony ho anay ity. Norovitin’i Noro ny valopy no sady nitomany izy. Ingahy Razafy tsy nahasakana fa niraviravy tanana fotsiny.

XIX “Any Ravao sy Noro ary Nivo, hoy Noro namaky moramora .Efa nanao izay rehetra azoko natao aho mba hanolorako fahasambarana ho anareo, nefa ankehitriny dia zava- poana daholo izay niezahako rehetra. 40- alatsinainy 03 Novambra 1969, IV lah 4050 Ny fitiavako anareo dia tsy mahavita na inona na inona no nanakana ny olona koa tsy ahita ny fahoriantsika.Aleo handeha aho. An- tsitra- po no andehanako. Na dia atao hoe ho heloka mahavery ny fanahiko aza izao, dia ataoko ho tsy mampaninona raha izany no mba hanintona ny sain’ny hafa hanampy mba hijery ny fahoriantsika. Ataoko sorona ho anareo ny aiko.Ny androko kely sisa koa dia afoiko.Angamba kely vidy izany kanefa……” Tsy nahatohy intsony Noro fa nifokofoko nitomany. -Dada ô! Dada …hoy izy nitsangana ho ao an’ efitra -Aza mbola mankao ianao, hoy Razafy namerina azy ho eo ambony seza. Andraso aloha ho avy ny dokotera dia ho hitantsika izay hatao. Sady nikapokapoka an’i Noro ingahy Razafy no folo ny masony. Nitazana ny any an- tokotany miandry ireo nantsoina.Tsy ny dokotera na ny mpitandrina anefa no indreny nitranga fa Ravao sy Nivo.Lasa Razafy nitsena azy mianaka teo anilan’ny varavarana! -Azafady tompoko, hoy izy , raha vao niditra Ravao, raha tsy diso aho dia ianao no tompon- trano -Fa iza moa ianao ? hoy Ravao nandinika azy. Fa fantampantany ihany ny endriny. -Razafy no anarako, ramatoa ary miala tsiny indrindra aho raha toa nitsofotsofoka fotsiny tato an- tranonareo.Sendra nandalo izaho sy ny zanako, no nahare an’ itsy zanakao niantso “vonjeo” ka dia … -Fa maninona Noro? Hoy Ravao sy Nivo nifandrombaka nankeo amin’i Noro. Fa maninona?... - Aza taitra foana ianareo hoy Razafy , tsy dia maninona izy akory , fa reraka fotsiny araka ny fahalalako -Ka he ! ity izy efa tsy mahahetsika intsony! Hoy Ravao -Ary nankaiza koa i Dada? Hoy Nivo -Nankaiza tokoa Rakoto, hoy Ravao. Fa inona marina no niseho tato ry ingahy ity? -Lava raha hotantaraina, hoy Razafy, sahiran- tsaina mafy fa aleo ho tonga aloha ny dokotera fa efa ho avy izy izany; - Aiza no hiandry an’ izany! hoy !Ravao nanitsy ny varavaran’ efitra. Aiza ny vadiko? Tsy nihambahamba Razafy fa avy hatrany dia noraisiny tamin’ny sandriny Ravao -Miala tsiny aho ramatoa, hoy izy.Tsy mbola azonao atao ny mankao… Ary jereo ireto zanakao mirahavavy. 41- Talata 04 novambra 1969, IV lah 4051

Tsy nampitony fa vao maika nampitroatra an-dRavao ny tenin-dRazafy, satria nahatakarany fa misy zavatra hafahafa niseho. Niverina nankeo amin’i Noro izy ary toa tsy tsaroany intsony ny tsy fahasalaman- janany fa noraisiny avy eo amin’ny sorony. - Noro ! ho izy. Noro! Maninona i Dadanao, ary maninona ianao no niantso “vonjeo” - Tsy fantatro ry Neny, hoy Noro. Izaho tatsy an’ efitra , fa i Dada no teto … ka tsy fantatro. Rangahy io no tonga namonjy ahy nony niantso “ vonjeo”. -Fa maninona anefa ianao no niantso “ vonjeo”? -Hitako niankarapoka teo an- tokonam- baravarana teo izy ka taitra be aho. -Niankarapoka hoe? hoy Ravao. Fa maninona izy? Aleo hiditra aho tompokolahy hijery ny vadiko. -Tsy hahasoa anao velively izany ramatoa, hoy Razafy. Aleo miandry ny dokotera aloha …Nisisika ihany Ravao .Razafy kosa namikitra ny sandriny. -Tahin’Andriamanitra ianao, ramatoa! hoy izy.Aoka aloha re. Somary tafintohina Ravao ka nakifiny ny tanan’Ingahy Razafy. -Manao aza fady aminao aho, tompkolahy, hoy izy, fa mbola manana fahefana aminay mianakavy sy amin’ny tokantranonay. -Ka tsy izany fa… -Aleo aho hiditra hijery ny vadiko, hoy Ravao, nanapaka ny tenin-dRazafy. Tsy nahasakana azy intsony kosa Ingahy Razafy fa nangenahena teo. An’eritreritra fotsiny no naminaniany ny fisehoan-javatra tao an’efitra, kinanjo tsy ela tokoa dia injay Ravao nikiaka niantso hoe “Rakoto o! Rakoto!” Ary dia henony niankarapoka… Niolomay izy nankao an’efitra. Nokosehiny ny tongotra aman-tanan-dRavao, nefa toa tsy niverina intsony ny ainy… Injay anefa niantso Nivo tatsy an’efitra.

XX -Tsy mbola nahita tahaka ity aho hatramin’izay nahapotsahan’ny voamasoko! hoy izy, niolomay indray nanampy an’i Nivo sady mitomany no mamelombelona an’i Noro toa mila ho safotra indray koa. 42- Alarobia 05 novambra 1969; IV lah 4052 Kopakopahy izy anaka, hoy izy, nila tsy hahita izay hatao. Iresaho moramora izy fa izaho tsy mahavantana azy.Nisento nisesisesy Noro, dia nihiratra, nefa ny ranomasony foana no nigororoana. -Fa aiza ihany ity nalehan’ilehiny? hoy Razafy niteny irery. Tokoa raha tsy hitombo isa indray ny maty! Tonga dia voavaly anefa ny fanontaniany fa injay nisy nigadona tany an-tokotany. Tsy tratra Razafy nankeny am-baravarana. -Andray dokotera! hoy izy. Aza ela ianao! Aty an’efitra no misy ny… Tsy hitany izay ho lazaina fa notarihiny fotsiny dokotera Rajoelina ho ao amin’ny efitra misy an-dRakoto sy Ravao. Ary dia nijoro teo am-baravarana izy, niomana ny hisakana an’i Noro sy Nivo raha mitady hiditra ao. Tsy ela dia tonga koa ny mpitandrina sy Leva. -Ialahy lehiroa dia ela! hoy izy tamin’i Leva. -Tsy azy ny fahadisoana, hoy ny mpitandrina, fa izaho no tsy afa-nandeha avy hatrany. Mbola nanontanitany azy aho fa tsy dia nazava tamiko ny antony niantsoany ahy. -Ny amin’Ingahy Rakoto…Ary ny amin-dRamatoa vadiny koa…kanefa aoka loha angaha, hoy Razafy nanopy maso tamin’izy mirahavavy. Ity koa misy taratasy ho anao. Vao saika hamoha ilay valopy ny mpitandrina dia nivoaka avy ao an’efitra dokotera. -Tsy misy azo atao intsony, hoy izy, nibitsika azy roa lahy. -Izy mivady ve? hoy Razafy. Nihatoka fotsiny dokotera. -Loza izany, tokoa marina! hoy Razafy niantso mafy fa tsy nahatsindry. Toa nanaitra an’i Nivo sy Noro kosa izany ka indray nanontany izy mirahavavy nanao hoe: -Fa misy inona? Ary nankaiza Dada sy Neny? Nanantona azy ny mpitandrina dia nanafosafo ny volon’izy mirahavavy. -Ao ihany Dada sy Neny, hoy izy, saingy mbola reraka dia reraka ka ataon’ny dokotera fa tsy mety ny mbola hankanesanareo ao. -An! An! hijery azy aho! hoy Noro. -Zaza hendry ianareo anaka ary mora toroina, hoy ny Mpitandrina. Izao no izy, izahay mbamin-dry dokotera dia ho eto hikarakara azy mivady ray aman-dreninareo fa ianareo mirahavavy kosa mandehana mankeny an-trano eny aminay aloha! Zazalahy ity no hiaraka aminareo. -Aoka ary mba hanao veloma azy izahay. 43- Alakamisy 06 novambra 1969; IV lah 4053 Mandehana aloha, anaka, fa mbola hahita azy ihany ianareo, hoy Razafy. -Ary jereo ity zandrinao fa mbola tsy salama koa, hoy ny mpitandrina, koa ndeha mankeny aminay aloha ianareo telo mianadahy fa rehefa milamindamina ny eto dia miverina ihany ianareo. Mandehana izany zanako izany. Resin-kenatra Noro sy Nivo ka dia lasa nanaraka an’i Leva. Vao dify kosa izy telo mianadahy dia nibanjina an’i Dokotera i Razafy. -Dia tena tsy misy azo atao intsony mihitsy ve tompoko? hoy izy. Sao dia mbola azo entina eny amin’ny hopitaly? -Tsy misy hevitra intsony, hoy dokotera. Tratra aoriana loatra aho. -Fa ahoana sy ahoana ange no nahatonga izao? hoy ny mpitandrina nitodika an-dRazafy. -Izaho koa tsy mahalala mazava, hoy Razafy, fa izay hitako ihany no ho tantaraiko anareo. Sendra nandalo izahay mianaka no nahare an’ikalakely niantso vonjy. Tsy nisalasala izahay niditra. Efa niampatra teto Rangahy dia nobatainay, ary ikalakely zanany natao tetsy ambony seza fa safotra koa…dia izaho nampaniraka niantso anareo iny. Fa raha mbola tsy tonga ianareo dia tonga Ramatoa vadiny sy ilay zanany vavy iray. Nosakanako ihany izy tsy hiditra nefa nisisika mafy ka tsy voatanako…Ary dia niankarapoka teo koa… -Raha ny amin-dralehilahy dia inoiko fa namono tena izy, hoy dokotera Rajoelina. Izay poizina nosotroiny no mbola tsy azoko fantarina, ary ny antony namonoany tena koa no tsy fantatro. Ny amin- dramatoa kosa dia fahatapahan’ny lalan-drà noho ny fahatairana mafy sy tampoka no nahafaty azy. Tratra aoriana loatra isika…Ary atao ahoana ireto zanany? Na dokotera Rajoelina nametraka ny fanontaniana anefa na ingahy Mpitandrina sy Ingahy Razafy nihaino dia samy tsy nahita valiny fa nifampijery fotsiny.

XXI Fa ity tonga Rajery tompo-trano, aviavy sy vonombonona hatrany kanjo niahotra tampoka nahita azy telo mianaka. -Ha! toa Ingahy Rajery izany! hoy ny mpitandrina. -Eny tompoko, hoy Rajery…Ary ahoana izany misy olona maromaro ato izany? Efa nifindra angaha ry Ingahy Rakoto. -Mbola ao izy ry Ingahy Rajery, hoy ny mpitandrina, saingy. -Saingy ahoana? 44- Zoma 07 novambra 1969, IV lah 4054 Ary inona kosa moa no anton-dianao, azafady? hoy Razafy. -Izany hoe fantatrareo ihany angamba fa izaho no tompon’ity trano ipetrahany ity. Nanome fotoana azy hatramin’ny rahampitso maraina aho hialany eto ary saika hijery azy koa momba ny vola tsy mbola voaloany satria… Nihabahaba be ihany Rajery fa nifantoka mafy taminy ny mason’ireo niresahany. -Raha izany no izy, tompokolahy, hoy Razafy dia efa niala ry Ingahy Rakoto, ary tsy niala fe niala mihitsy fa lasan-davitra mihitsy. -Lasa lavitra ahoana? hoy Rajery. -Maty vao izao hariva izao izy mivady, hoy Razafy. Nivandravandra tahaka ny hipotsaka ny mason-dRajery. -Maty hoe ? hoy izy. Maty ahoana ? Izy mivady no indray maty? -Maty ka maty ahoana? hoy Razafy. Ary izahay koa mbola samy variana mieritreritra eto. -Lalina izany! Lalina! hoy Rajery, tsy nahita hilazana izay tao anatiny. -Fa hono, ho aho, ry Ingahy mpitandrina, hoy Razafy, sao dia hanazava amintsika bebe kokoa izao raharaha izao ilay taratasy navelany ho anao. -Oadray! Fa saika hadinoko tokoa. Aleo ho vakintsika. Nosokafany ny valopy dia novakiny mafy ho ren’izy telo lahy: “Any Ingahy Mpitandrina, “Betsaka ny resaka efa nifanaovantsika, nefa ity dinika farany ity dia tsy maintsy avelako. Nanao izay rehetra tratry ny heriko aho mba hananganana fahasambarana ampy ho an’ny ankohonako, rehefa avy nizaka ny mafy.“Izay varavarana rehetra nodoniko anefa dia nirindrim-belona avokoa. Tsy hitan’ny olona ety ivelany ny fahorianay, tsy fantany ny fahorian-tsaiko. “Adidiko anefa ny manintona ny sain’ny olona hijery ireo zanako, izay mba tokony hanana fiainan-tsambatra tahaka ny zana-bahoaka rehetra. “Ny tenako efa osa tsy hahavita intsony ny asa rehetra ilaina, koa hany heriko dia ny androko kely sisa no faranako. Ary arahiko an’ity taratasy ity mba ho tsapanao sy izay rehetra mahalala ny tantaranay, ny antony amaranako ny fiainako. “Hilaza angamba ny sasany fa hakanosana ny ahy. Kanefa tsy misy tsy nataoko izay rehetra azoko natao ka tratry ny heriko. Na izay voninahitra kely nananako na ny hambompoko amin’ny maha- olona ahy ary izay tsy ho voatanisako dia tsy nisy tsy nataoko sorona, koa tsy hitako afa-tsy izao antson’ny famoizam-poko izao no afaka hanaitra ny olona hiantra ireo zanako. 45- Sabotsy 08 novambra 1969, IV lah 4055 “Fantatro fa ianao dia tsy hankasitraka ahy velively amin’ny maha-mpitandrina anao. Ary angamba koa hisy hihevitra fa lasa any amin’ny afobe aho, fa ho lazainy ho mandingana ny didin’Andriamanitra. Na dia ho any aza anefa ny fanahiko, raha toa ka ho any tokoa, dia tsy maninona fa ataoko sorona ho an’ireo zanako mirahavavy. “Ary rehefa mampionona azy ianao dia lazao azy tsara fa mihoatra noho izay mety ho tratrin’ny fon’olombelona no efa nitiavako azy. Ary ny amin-dRamatoa vadiko dia manam-pinoana izy ka heveriko fa hahazaka izao. “Hafatro farany: dia aza anaovana fotoam-pivavahana amin’ny fandevenana ahy. Aoka hody mangina ilay efa nohadinoin’izao tontolo izao. “Raha misy olona voahetsi-po noho izao dia indreo ny zanako. Ireo ihany no anton’izao sorona izao. “Izay iriko farany dia izao: ny hivoaran’ny fiainam-pirenena, mba tsy hisian’ny toy izao intsony”… -Izany no vakin’ny taratasy, hoy Ingahy Mpitandrina! Somary nisento izy, dia nangina koa, fa samy tsy nahateny Razafy sy Rajoelina ary Rajery. Samy lasa lavitra mantsy ny eritreriny, indrindra fa ny an’izy roa lahy, fa nahatadidy ny nihaonany tamin- dRakoto sy ny resaka nifanaovany taminy. Toa tahaka ny hitany niverina teo anoloany ny endriny, toa tahaka ny hitany ny fihetsiny tsotsotra, toa reny ny feony, nohetsehin’ny alahelo, niharo hatezerana,

XXII nanazava ny heviny sy niantso izay fanampiana nataony fa mbola mety ho azo atao. Toa te hiteny tamin’Ingahy mpitandrina sy Razafy izay sendra nandalo izy, hitantara ny tao an’eritreriny, hanazava ny heviny, hanamarina fa efa nisy koa nataony. Kanefa sady tsy sahy no menatra. Sigara foana no narehitr’i dokotera Rajoelina, ary Rajery nanongotsongo saoka. Ny hany voatenin-dRajoelina dia ny fanontaniana hoe: -Ary atao ahoana izao ny filaza amin’izy mirahavavy?

46- Alatsinainy 10 novambra 1969, IV lah 4055 Fa, hono, hoy Razafy, nitodika an’Ingahy Mpitandrina. Izao aho vao nieritreritra ka moa ity maty ity Rakotondramanana ilay voagadra tamin’ireny andron’ny tabataban’ny taona fito amby efa-polo ireny, ary mbola voa sesitany indray taty aoriana? -Eny, hoy ny mpitandrina, izy dia izy tokoa. -….Dia izao no niafarany? hoy Razafy. -Izao no niafarany, hoy Ingahy mpitandrina. Somary nisento kely izy vao nanohy ny teniny hoe: -Ary isika rehetra no miara-tompon’andraikitra amin’izao fiafaran’izy mivady izao…Ny hany faniriana eo anoloan’ny adidy tsy efa taminy dia ny mba hisian’ny olona vonona handray azy mirahavavy ka tena ho solon-dray aman-dreny tokoa, hitaiza, hanabe, hikarakara azy…Kanefa hisy ve izany? Nitsangana avy teo ambony seza nankany aina vetivety Razafy, ary feo somary henjakenjana no nitenenany. -Ary angaha ataonareo, hoy izy, fa ireo ihany no hiharam-pahavoazana nampamoifo tahaka izao, fa tsy misy dia misy tokoa ny hafa! Ary izany indrindra no mampipetraka ny fanontaniana. -Fanontaniana ahoana? hoy ny mpitandrina. -Izao, hoy Razafy, sao dia misy tokony hovana tanteraka ny fandaminam-pitondrana, ny fampandrosoana ny toe-karena sy ny fiainam-bahoaka, eto amin’ny firenentsika. Sao dia izany no fototra tena ilaina haorina mba hahavoasoroka ny loza mahavaky fo toy izao? Samy ranga ny sofin’izy telo mianaka nihaino ny tenin-dRazafy, ary toa samy nandatsaka am-pieritreretana izay nolazainy. Ingahy Mpitandrina no namaly: -Fandinitsika tokoa izany, hoy izy…Ary tokony hararaotintsika izao faty kambana izao mba hanairana ny firenena…Kanefa…HO TAITRA VE IZY?

Nalaina avy tamin’ny piesy teatraly nosoratan’Andriamatoa ANDRIAMANJATO RICHARD mitondra ny lohateny hoe: “ HO TAITRA VE IZY?” TAPITRA

XXIII

NY FAHATEZ ERANY

Nosoratan’ny A.R., ary misy poezin-dRado 1) AMBOHITRAIVO 1-Alatsinainy 9 jona 1969, IV lah 3929 Raha vao tafiditra ho mpianatra tao Befelatanana aho, dia efa tapaka ny hevitro fa hanohy ny fianarako any ampitan’ny ranomasina, any aoriana. Koa rehefa nivoaka ho dokotera aho dia tsy nianona tamin’ny fizaha- marary fotsiny fa nanitatra sy nandalina ny momba ny fitsaboana koa. Tsapako tamin’ny resaka nifanaovanay mpiara-mianatra, teo am-panomanana ny dia hankany any amin’ny toerana nanendrena any avy, fa tsy dia azoazon’ny sasany ilay anjaran-toerako. Ambohitraivo no anarany, ary vohitra mitokantokana ihany no lavitra akaiky ny tanan-dehibe (tokony ho jato kilaometatra raha atao tora-tady, nefa roan-jato kilaometatra latsaka kely foana raha manaraka ny arabe izay sady ratsy no mihodikodina lavitra). Izaho kosa anefa na tsy niteny aza, dia nazoto ny hankany, satria nantenaiko fa tsy ho be mpanalingelina aho amin’ny toerana tahaka izany ka tsy dia hanano sarotra amin’ny fanohizana ny fianarako. Tsy diso ny fanantenako. Fa raha bebe ihany ny marary nozahana sy notsaboina tamin’ny andavanandro, dia saiky tsy mba nisy niantso firy aho tamin’ny andro tsy fiasana. Tsy dia izany loatra anefa no ahatsiarovako an’Ambohitraivo fa noho ny tantara iray niseho tao. Indray alina, raha sendra mbola variana nandinika boky vao nohafarako tany andafy aho, dia taitra raha nahare olona nandondona tao ambaravarana. Fa tsy vitan’ny hoe: mahalana no nisy nanaitra, efa akaikin’ny misasak’alina tamin’izay – nitopy avy hatrany teo amin’ny famantaranandro mantsy ny masoko – fa hafahafa koa ny fomba fandonan’ilay nitady, toa matahotra kanefa koa toa maika. Novohako ny varavarana. Tovovavy kely tokony ho dimy na enina ambin’ny folo taona no teo. -Inona no tadiavinao? Hoy aho, tsy nahatam-bava nahita ny endriny nifangaroan’ny tahotra sy ny tebiteby ary ny henatra. - Haka anao dokotera, hoy ilay zazavavy niambakavaka. Fa marary be Dadatoa, ary tsy hitako izay hanaovana azy. Marina fa noho izaho nanararaotra izay fotoana rehetra azoko nohararaotina hianarana dia tsy mba nivoaka firy aho hany ka na Ambohitraivo manontolo aza mbola tsy voatetiko akory, kanefa na izany aza dia toerana tsy nampoiziko ho nisy olona nitoetra no nitondran’ilay zazavavy ahy. Fa ilay trano ntaolo efa simbasimba be ihany, nalehanay, dia tsy tazana raha tsy efa afaka ireo hazo mijoalajoala manodidina azy, ary ilay lalan-kely mankao dia zara raha hita soritra, toa tsy nisy mpandalo firy.Efitra ambany rihana no nivantananay. Ny zavatra tsapako, raha vao niditra aho, ary na dia mbola tsy nahadinidinika akory aza, dia ny tsy fitovian’ny tokantranon’ambanivohitra fitsidiko tamin’ity tokantrano ity.Tsy noho ny lalampy solitany nanazava ny tao anefitra ihany, fa noho ny fanaka samihafa sy ny fomba fipetrany koa ary na boky isan-karazany niavovona teo amin’ny talantalana. Taty aoriana moa vao nazava tamiko ny anton’izany. Lehilahy iray no nitsotra teo am-pandriana. 1) AMBOHITRAIVO 2- Talata 10 jona 1969, IV lah 3930 Efa antitra ihany no fatazanako azy, tamin’izato volony lava efa fotsy fahatelo sy ny volombavany aman- tsomony tsy niharatra. Vao niditra izahay dia nitopy taminay ny masony, nefa toa tsy izahay akory no tazany fa ny tany an-damosinay tany. -Averiko amin’ialahy indray ry Kotomanana fa olona tena tsy misy fotony ialahy! Hoy izy tamin’ny feo feno hatezerana… Ary tsy afeniko amin’ialahy fa malahelo mihitsy aho… Ny mampalahelo dia ny tsy fisian’ny lalàna manameloka ho faty ny olona tahaka an’ialahy! -Dokotera io, Dadatoa fa tsy Rakotomanana, hoy ilay zazavavy. Tahaka ny nanampoka ny hatezeran’ingahy ny nahare ny feon’ilay zazavavy. -Ndry! Hoy izy. Hay!ve tao ihany ianao ry Pendo ka tsy namaly raha nantsoiko! Aiza no nasinao ny kiraroko anaka? -Fa ho aiza, Dadatoa? Hoy ilay zazavavy, nantsoiny hoe Pendo, nahita azy niarina. -Nilaza fa hamono omby ry Rainisendra, androany, hoy rangahy, ka handeha hijery any aho, sao mahatratra ny atiny. Aza ela ianao, fa ento aty ny akanjoko -Mbola alina ny andro, hoy Pendo. Ary Dokotera io tonga hizaha anao io ka ho aiza ianao? Nitodika nijery ahy ilay rangahy, ary toy izay vao tena nahita ahy teo anilany. -Hay! ianao no dokotera eto, hoy izy. Vao haingana angaha no nahatongavanao no tsy dia fantatro ianao?

XXIV -Eny, tompoko, hoy aho, fa vao enim-bolana eo angaha izao… Ka ny aiza no tsy azoazonao? -Tsy azoazo ahoana? Hoy izy nanao hehy ratsy. Izaho angaha marary? Gagagaga ihany aho nahita ny fandehan-javatra. Fa toa tsy “narary be” araka ny tenin’ilay zazavavy ilay rangahy, ary ny resany koa misambaodimbaodika be ihany. Noraisiny indray ny bodofotsy dia nosaronany ny lohany. -Jereo ny haratsim-panahin-dry zalahy! Hoy izy nifendrofendro. Tsy maharesy tohika ahy izy, dia andefasany bibilava aho hampitahotra ahy!... Oay! Oay! Esory ireo bibilava ireo ry Pendo fa matahotra aho! Nangenahena fotsiny anefa Pendo ary nangata-maso tamiko nitady vonjy. - Oviana no nahavoa ny dadatoanao toy izao? Hoy aho. - Talohaloha dia efa mpiteniteny irery sy hafahafa ihany izy, hoy Pendo, saingy tsy dia matetika, fa hatrimin’ny afak’omaly izao dia nila tsy hisy fijanonany mihitsy ny redirediny. 3- Alarobia 11 jona 1969, IV lah 3931 Ary injay !tokoa fa niteny indray ilay lehilahy,nibitsika avy ao anaty lambany: -Boboka aho ry tanindrazako, hoy ny feony toa mitaraina .Eny tena boboka aho. Notsapaiko ny hafanany, nefa tsy nisy firy tokony hahavoan’ny delira. Fa nakipilin-drangahy tampoka indray ny lambany,dia niarina izy ary nivandravandra. -Aza miana-kendry amiko ialahy isany ! hoy izy nihiaka. Ny hafa no azon’ialahy isany hadalaina, raha manaiky, fa tsy izaho !Manatona hoe hifanandrina amiko raha sahy! -Mipetraha ianao, hoy aho. - Izay ialahy isany lehitsy,hoy izy nitroatra handeha. Vory hery tsara aho fa mbola tanora .Izy kosa toa efa antitra ary mangozohozo, kanefa nila tsy ho voatanako. Nofihiniko tamin’ny sandriny roa izy ka tsy afa-nihetsika intsony na nihohitra mafy aza. Nifokofoko mafy dia nitambotsotra,tsy nahatsiaro tena. Nobataiko dia napetraka moramora teo am- pandriana .Notsapaiko ny fony ka nitempo ihan , saingy malefaka. -Dadatoa ô! Maninona ianao? hoy Pendo nitomany . -Tsy maninona akory, hoy aho, ary mangina fa vao mainka mampalahelo azy ny mahita anao mitomany. -Eny! Dokotera, hoy Pendo nifendrofendro, kanefa aza avela ho faty Dadatoa. Fa raha maty izy dia tsy hanana na iza na iza intsony aho! Nasiko tsindrona vonjy maika aloha ilay lehilahy dia notambatambazako hitony koa Pendo. Raha samy mbola nipetrapetraka izy mianaka dia nijerijery ny tao an-trano aho, izay efa nanintona ny saiko raha vao tonga, ka akory ny hagagako! Tao aloha ireo karazam-boky, izay tokony tsy ho fahita tany ambanivohitra ny fiheverako azy: tantaram- pirenen’ny tany hafa, boky momba ny fanadihadihana politika sy ekonomika, boky mikasika ny lalàna, ny momba ny varotra, ny momba ny fivavahana, ny momba ny literatiora, ets… Nanaraka izany dia ny sarin’ilay lehilahy no tena nanaitra ahy ihany koa. Fa ny fanombanako azy dia vao taona vitsivitsy no nakana ilay sary, kanefa tsy hita velively ny fiovan’ny endriny. Fa tovolahy tomady sy bikana ary nazava endrika no teo amin’ilay sary, kanefa lehilahy efa maditra ny fahanterana ary mahia sy mangozohozo ny teo ambony fandriana. - Lalina izany raha fiovana hoy aho anakampo. Ary vao mainka liana ny hahalala ny amin’ity lehilahy ity. 4- Alakamisy 12 jona 1969, IV lah 3932 Fa raha namadibadika ireo boky isan-karazany aho, dia indry nipitika avy tao anatin’ny boky anankiray ny sombin-gazety nohetezana, nisy poezia nanao hoe:

Boboka aho! Boboka aho, ry tanindrazako Ao ny lasa bambom-bola Ka avelako ianao ho eo Tao ny reraky ny tolona Fa izaho sy ny hazakazako Ka nalazo famololona Handositra fa efa leo Tao ireo lasana sahady Izato fahorianao Fa trotraky ny lazon’ady Izay nanjary fahoriako Tao ireo tsy nahasehaka Ary lamba fitafiko resin’oroka sy tehaka …Aiza ve ka izaho irery Nisy matin-kenamaso Sisa no hatao hijery tamin-tsiron-tsaramaso Izato endrikao mivava Tao ireo lavo tsy tafarina

XXV Sy ny hasonao voarava? Nivaro-babo irony marina… Fa ny maro dia efa tola: Ireny rehetrarehetra ireny Lasana any…. tsy niteny Te hofolo izao ny tanako Ary izaho irery sisa . Hanamboatra anao fananako Tamini’ireo an-tapitrisa Nefa, dia tsy amboa tsy lambo No nilanja ity tolàna ka raha avy izay antambo Izay mivaona dia mivaona haninona aho no ho faty irery No mifofotra amin-kery hanolo-tena hanao vivery? Sady tsy tafandry mandry Fahafirin’iza aho Mampijoro izato andry no hiarin-doza be mitraho Nefa itsy rindrina itsy hianjeran’ity vovonana Efa tazako mahitsy sy ho voafingana an-tokonana? fa mirona tsy mahitsy Oh! Mihidy izato ny vazako, k’afaka fotoana vitsy k’eo ianao ry tanindrazako Dia hidaboka, hikoa avela inao ho potipotika raha ts’indray vonjena koa Avela ianao ho rotidrotika Ny zana –tohatra efa tapaka! Izay mianjera avela hianjera toy ny rihana sy rapaka Izay te-hisetra anao, misetrà! Ny tafo izay nataon’Ikaky Lasana aho, veloma ianao! Maina koa ny lava-bary Izay mitranga: anao ny anao! Toa akaiky ny mosary Ny vy fahiny nampalesina (poezia nosoratan’i RADO) Indreo fa lanina harafesina

5- Zoma 13 jona 1969, IV lah 3933 Toa tahaka ny mbola misy tohiny ilay poezia kanefa tapaka hatreo. Sora-tanana tery amin’ny sisin’ny no nanampy azy nanao hoe: “tena marina izany fa boboka tokoa aho”. Nanao izay rehetra azoko natao aho, kanefa tsy nahavita fa vao mainka aza fatiantoka no hitako. Ka boboka aho. Variana aho nahita ny hakanton’ilay poezia, ary variana koa nieretreritra izay mety dikan’ireo teny voasoratra nanampy azy, hany ka tsy tazako akory Pendo, nitsangana moramora, raha tsy efa teo anilako. -Dokotera ô! Hoy izy natalaho, aza avela hisotro toaka intsony Dadatoa! -Angaha misotro toaka izy? Hoy aho. -Tena misotro be mihitsy izy! Hoy Pendo. Jereo ange ireto e! Nosokafany ny lamba natao manodidina ny ambany latabatra, tavoahangy foana marobe tokoa no tao abaniny . -Ary mbola misy koa amin’itsy siny kely itsy, hoy izy. Noraisiko ilay siny ka mbola nisy fari-bodiny mahery. -taiza daholo no nahazoany an’ireto? Hoy aho. 6- Sabotsy 14 jona 1969, IV lah 3934 -Ny tamin’ny tavoahangy dia nampividiany an’ilay rangahy mpitondra aotomobilina tonga aty tsindraindraiy, hoy Pendo. Ary ny ao amin’itsy siny itsy, naterin’ilay rangahy mpivaron-kena ery andrefan- tsena. Teo vao nihanazava tamiko ny fototr’ aretin’ilay lehilahy, dia aretina avy amin’ny alkaola be dia be tafiditra tamin’ny tenany ka nanimba ny fahasalaman’ny vatany sy ny fahasalaman’ny sainy. -Andrasinao eo aho vetivety fa haka fanafody ho an’ny dadatoanao, hoy aho tamin’i Pendo. Tsy namaly Pendo fa nianina fotsiny. Takatro fa niady ny sainy, tsy sitrany ny hijanona irery, nefa tiany koa ny hahazoana fanafody. Ny hamonjy ny marary aloha anefa no nahamay ahy, ka tsy niandry izay fanapahan-keviny aho fa avy hatrany dia niritona naka fanafody tany amin’ny hopitaly. Nony niverina aho dia efa niarina ka nipetraka teo an-tongom-pandriana ilay lehilahy, ary Pendo kosa nisafosafo ny tanany. Nojereko ny endriny ka tonitony kokoa, ary tsy dia nanao fijerin’adala intsony ny masony. Avy hatrany dia niresahany aho: -Nolazan’i Pendo ahy izay nataonao, ary asa na tokony hisaotra anao aho na tsia ? -Tsy misy tokony hisaoranao ahy, hoy aho, fa ny adidiko amin’ny maha-dokotera ahy no nataoko. -Ha!hoy izy nanao hehy voraka. Tsara ny teny fa iza tena votoatiny no tsy fantatra.

XXVI Ninia tsy namaly aho fa ny fampiasana ireo fanafody no nataoko azy. Ary dia niangavy azy aho hanindrona azy fanindroany. Tsy nanda izy fa nanaiky mora. Vita ny tsindrona dia ny resaka momba ny fitsabohana no notohizako. Ary nofaranako hoe: “Ary ny fisotro misy alkaola rehetra dia fadinao manomboka anio.” -Hay! hoy izy. Ary iza moa ianao no handidy ahy tsy hanao izay tiako hatao? Raha te hisotro aho ahoana no hisakananao ahy?

-Dokotera aho, hoy aho, ary angamba fantatrao fa izahay dokotera, rehefa hanao ny asanay dia manao ny fianianana fa hitsabo ny marary araka ny herinay sy ny fahalalanay, fa tsy mijery izay zavatra hafa mety hisakana anay amin’izany adidy nekenay izany. Izany no ilazako aminao ny fanafody tokony ho anao sy ny fitandreman-tena tokony harahinao. Ary averiko indray fa tokony ho fantatrao izany. -Fantatro tokoa, hoy izy, tahaka ny fahafantarako fijerin’ny dokotera tavan’olona sy ny fampiasany ny vola ho takalon’ny aina. Fantatro tahaka ny fahafantarako ny fandevenan’izy ireny ny fahalalany izay tokony ho entiny hanazava ny sain’ny mpiara-belona aminy. Mahay miresaka ianao andriamamatoa, nefa tsy izaho intsony akory no ho sodokanao tahaka ny teo aloha. 7- Alatsinainy 16 jona 1969, IV lah 3935 -Andro hafa fa tsy anio miady hevitra aminao ny momba izany, hoy aho. Ny tiako hateriko aminao fotsiny, tompoko, dia izay voalazako teo momba iretsy fanafody sy ny tsy tokony hisotroano alkaola intsony- - - na farafaharatsiny mandrita ny fotoana maharitraritra aloha. -Loza izany! Hoy izy. Sambasamba ka nisy nanao “tompoko” aho! Loza izany!.... Ary dia nikakakaka rangahy. Nanontany ahy izy rehefa avy nihomehy. -Ary nahoana moa no izaho no omenao ireo fanafody areo,fa tsy Rainijery? Ilay tsy vanona iny anie no tena mivadik’ati-doha fa tsy izaho! -Ho anao aloha no nitondrako an’ireto, hoy aho, ary tsy fantatro rahateo izany Rainijery izany. -Oadray! Re ry tany aman-danitra! Hoy izy, nihomehy indray. Tsy fantany hono Rainijery! Niova ho vinitra indray ny endriny. -Tandindomin-doza ianao ry tovolahy, fa mitandrema, hoy izy. Lozanao raha tsy mahalala fa ho avy hamely anao Rainijery, Rakotomanga, Balesa, Manana, ary mitandrema fa namany koa i mopera sy pasitera. - Misaotra anao aho, amin’izany fampitandremana izany, hoy aho tsy te-hifamaly. - Aza misaotra ahy foana satria tsy maintsy ho voany ihany ianao, hoy izy. Izaho aza nanao ahy ho izaho voany ihany… Mbola resaka be no nataon-drangahy, ka mbetika resaka tsy nisy lohany sy vodiny, mbetika resaka mba misy loniny ihany saingy tsy hita izay tena handraisana azy. Arakaraka ny nanatonan’ny maraina anefa no nampitony azy tsikelikely fa izany moa no fomban’ny aretina tahaka izay nahazo azy. Nony nitsidika ny andro dia nankeo am-pandrina izy, ary nilofika moramora. -Maninona izy dokotera? Hoy i Pendo -Tsy maninona izy akory fa aza taitra foana ianao,hoy aho.Vizana izy ka te-hatory .Fa etsy ianao hanontaniako:renao izay nolazaiko teo momba iretsy fanafody iretsy, ka tadidionao tsara ny fomba sy ny fotoana tokony hihinanan’i Dadatoanao azy? -Tadidiko ,hoy Pendo. Fa nahiratra indray ralehilahy dia nijery sy nandinika ahy: 8- Talata 17 jona 1969, IV lah 3936 -Moa tsy dokotera ianao? hoy izy. -Eny ,hoy aho,ary aza mihetsiketsika ianao fa makà saina aloha. -Izany indrindra no saika ho lazaiko anao, hoy izy. Misy asa tokony hataoko, misy boky tokony ho vakiko kanefa tsapako ho tena tsy tsy salama aho izany. Any amin’ny lohako any, any amin’ny foko any, tsaroako ho tsy mety mety daholo. Ny tongotro aza toa tahaka tsy ao. Ka nahoana raha maka aina aho aloha. - Izany mihitsy anie no mety, hoy aho. Rehefa matanjaka ianao dia azonao atao daholo izay tianao, fa mialà sasatra aloha izao. Ary aza matahotra fa hataontsika daholo izay mety hampatanjaka anao haingana. - Eny ary, hoy izy, tsy mandry ny eritreritro raha tsy niera taminao aloha. Ampio kely bodofosy aho ry Pendo fa mangatsiaka. Nanampy bodofotsy Pendo. Ary vao avy nandrakotra azy dia nidaboka te an-tongom-pandriana ary natory koa. Tsaroko ho tena nanohina ny foko ny nahita azy mianaka teo am-patoriana. Pendo zaza tokony ho mbola natory tsy amin’ahiahy tahaka ny mitovy taona aminy nefa tahotra ama-tebiteby no no hita nisoritra sahady teny amin’ny endriny. Rangahy reraka toy ny olona notsindrin’enta-mavesatra ary te-hihoitra nefa tsy afaka. Niverina ho azy tao an-tsaiko ny an-dalana tamin’ilay poezia novakiko manao hoe:

XXVII “ … Ary izaho irery sisa Tamin’ireo an-tapitrisa No nilanja ity tolàna Izay mivaona dia mivoana Eny izaho, izaho irery No mifofotra amin-kery ………… Te ho folo izao ny tanako ………….” Mba efa vizana ihany koa anefa aho ka lasa naka toerana teo amin’ny seza anakiray dia nandrehitra sigara. Ary lasa ny eritreritro: - Iza marina re ity lehilahy ity? Hoy aho anakampo. Raha ny fomba firesany, na dia eo aza ny redirediny, raha iretsy boky aman-gazety vakiny iretsy no heverina, dia manana fahalalana mihoatra noho izay antsoina hoe sarambaben’olona izy kanefa inona no mahatonga azy honina aty an-kebakeban-tany aty? Fitadiavana fivelomana ve ? Kanefa toa manana ny ampy ihany izy,na dia ny amidiny zava-pisotro fotsiny aza?

9- alarobia 18 jona 1969, IV lah 3937 Ary inona no zava-manahirana mahatonga azy hisavoritan-tsaina? Iza avy ireto olona samihafa notonontononiny, ankoatra ny pasitera sy mopera, ary inona no tsy itiavany azy? Iza no havany, fa toa tsy misy afa-tsy ity Pendo ity no miara-monina aminy, ary tsy nahita antsoina afa-tsy izaho? Nanitikitika ny eritreritro izany rehetra izany ka nivoady anakam-po aho fa tsy maintsy ho tadiaviko ny momba azy sy ny antonanton-javatra mahazo azy. Fa mba resin-tory teo am-pitoerana koa aho nony avy eo ka tsy nahatsiaro andro maraina. Notehafin- drangahy moramora ny soroko vao taitra aho. - Aza fady, hoy izy, moa tsy mifankahalala isika fa tsy dia tsaroko loatra? - Eny, hoy aho, izaho ilay dokotera nitsabo anao hatry ny alina. Ary efa tsara ianao izao? - Ekany tokoa, hoy izy. Tsarotsaroako fa teo hatry ny alina ianao, ary toa nilaza Pendo fa dokotera tsara fanahy ianao. - Handeha aho aloha, hoy aho, kanefa tsy maintsy hiverina, ary… - Andraso aloha, hoy izy, no sady niboredika ny teniny. Andraso aloha…etsy ange ianao…tsy mbola tsara anie aho, ka andraso kely… Tsy vitan’ny hoe niboredika izy niteny, fa nangovitra daholo na ny tanany, na ny molony, ary ny masony nanganohano no nipendrapendrana. -Eny, hoy aho, tsy mbola tsara ianao, nefa an-dalan’ny ho sitrana. Vonona ny hitsabo anao aho mandra-pahasitrana anao tanteraka, nefa miankina aminao indrindra ny hahavitana izany. -Hataoko izay sitraponao, hoy izy, kanefa mba omeo kely aho aloha. Na dia faribodin’ny vera ihany aza tsy mampaninona fa mba omeo kely aho aloha. - Tsia, hoy aho, tsy azoko atao intsony ny manome toaka anao, fa raha manao izany aho dia naman’ny mamono anao tsotra izao. -Kely foana anie, hoy izy, kely monja…. -Na dia indray mitete aza dia tsy afaka manome aho, hoy aho, hentitrentitra. Ary dia mba nananga-tezitra koa izy. -Raha vao tsy omenao anefa aho dia ho faty, hoy izy, ka dia ho vonoinao aho izany. Tsy namaly aho fa niodina fotsiny. -Hanome ve ianao sa tsy hanome? Hoy izy, nandray ahy teo amin’ny soroko. Aiza no nanaovanao ny siniko teo. Ahy iny ka ho ento aty- fa tsy azonao didina amin’izay ananako aho. Tsy mbola namaly ihany aho fa nanary dia nody nijery an’i Pendo renoka dia renoka. 10_ Alakamisy 19 jona 1969, IV lah 3938 -Aiza no nataonao ny siniko, hoy izy, nampaka-peo? Aty an-tranoko ve ianao no hietraketravanao? Sa inona marina no tadiavinao? Ny hamaliko anao amin-kery koa? Avoahy ny siniko raha tsy te-hahita raharaha ianao. Notohiniko moramora izy, ary notondroiko Pendo. -Aza mitabataba ianao, hoy aho. Tsy hitanao angaha ity zanakao matory fatratra ery?

XXVIII Nanaraka ny tanako nanondro ny fandriana koa ny masony, ary nony nijery an’i Pendo izy, dia tsy nahateny, fa nihovitrovitra fotsiny teo am-pitsanganana. Nony kelikely dia nandohalika izy, ary nifendrofendro nila hitomany. -Aoka tokoa hatory Pendo, hoy izy …kanefa miangavy anao ho, milelaka ny faladianao aho, omeo toaka kely aho, na dia faribodin’ny kaopy ihany aza, na dia eran’ny sotro ihany aza. Maty aho marina! Aza dia jerena fotsiny aho!... Tsy reko intsony ny teniny sasany fa niboredidredika fotsiny. Ary izaho koa sahiran-tsaina mafy. Amin’ny aretina toy itony mantsy, izay azo avy amin’ny poizin’ny zavatra hanina na sotroina tahaka ny toaka, dia misy fotoana izay ilan’ny tena mbola hahazo ilay poizina efa mahavoa, ary amin’izany, raha tsy ampy ny herin-tsaina hifehy tena, dia tsy resy mihitsy ny fitadiavana hahazo ilay poizina Raha hanome azy aho dia vao mainka hanimba azy ny poizin’ny toaka. Tsy hanome anefa aho tsy tantiko ny nijery azy nitalaho. Mba tsy nahatsindry ny fihetseham-poko koa anefa aho ny farany, ka noraisiko ilay siny kely, izay tsy taiza fa tao ambadiky ny varavarana mankany an-tokontany. -Izao no izy, hoy aho, homeko ianao, kanefa tsy homeko afa-tsy kely foana aloha, ary amin’ny sisa dia izaho ihany no manome anao na Pendo.

-Manaiky aho, hoy izy tafatsangana. -Ary dia mbola manaiky ny ho tsaboiko koa ianao, hoy aho, ka tsy maintsy harahinao izay teniko amin’izany. Ekeko daholo re izay tinao, hoy izy, fa aiza aloha ilay zavatra. Noraisiko ny kaopy kely teo ambony latabatra, dia nampidiniko. Tsy nikipy ny masony nijery ny nataoko. -Tandremo sao misy latsaka fa saro-bidy iny, hoy izy nangovingovitra. Vao natolotro azy ny kaopy dia nosamboriny an-tanandroa ary notohofany dia nataony indray migoka. -Izany ka zavatra! hoy izy nilela-molotra sy nitsimotsimona….Ary tsy hangataka aminao intsony aho raha tsy rahampitso fa ampio kely. -Tsia, hoy aho. Ampy aloha izay ary efa nekenao rahateo ny hanaraka izay teniko. Fa vao avy nisotro kely foana izy dia afaka ny fangovitry ny tanany sy ny molony, ary niha-nitony koa ny fivilavilan’ny endriny. 11- Zoma 20 jona 1969, IV lah 3939 -Manahirana ahy ianao ity, hoy izy. Tsy hita atao ho tsara, nefa tsy azo hatao ho ratsy koa. Mbola andriko isehoan’ity aretina ity ihany koa ny fisian’ny fotoana, mety ho vetivety na haharitra, izay mampihiratra ny sain’ny marary ka nohararaotiko. -Izao koa no tokony ho tadidianao, hoy aho; malahelo anie Pendo raha mbola misotro ihany ianao. Ary marina ny azy satria raha mbola misotro ianao dia mety ho voa mafy, hanao ahoana anefa izy raha sanatria ka maninomaninona ianao. -Eny, hoy izy, hahantra tokoa Pendo, raha misy mahazo ahy, fa iza intsony moa no hiahy azy. Ary raha izy no ho azom-boina, inona no hiafarako, fa iza indray no mba ho anton’ny fahavelomako? -Izany indrindra mantsy, hoy aho, nanararaotra ny filafahany na dia tsy mazava tanteraka tamiko aza ny vontoation’izay nolazainy. -Izaho dia hanampy anareo araka izay azoko atao, hoy aho, kanefa avy aminao indrindra indrindra no ho anton’ny fahombiazan’izay fitsaboana atao. Tsy namaly rangahy fa niatokatoka fotsiny no niseho ho lasan’eritreritra. Fa tsy nataoko ho teny foana kosa izay nolazaiko. Nanomboka tamin’iny fotoana iny dia tonga isanandro tany amin’izy mianaka aho, indraindray aza miverina in-droa na in-telo, tao anatin’ny indray andro. Tsy noho ny fiheverako ny adidiko amin’ny maha-mpitsabo ahy ihany, fa noho ny faniriako ny hahalala ny amin’ity lehilahy ity koa, ka efa mampivoady ahy anakampo. Tandritandriko ihany fa nanjary toa nisy fiovana tamin’ny fifandraisako tamin’olona tao an-tanàna, fa ny sasany nalaindaina niarahaba, ny sasany nitakoritsika, rehefa mandalo aho.Tsy nataoko nampaninona ahy anefa izany rehetra izany ary ninia tsy nanadihady izay antony aho (saingy fantatro ihany taty aoriana). Nanano-sarotra ihany ny fitsaboana an-drangahy, na ny fitsaboana ny vatany na ny fitsaboana ny sainy, fa efa latsaka lalindalina ihany ny aretiny ary ny fanafody tsy ampiampy be ihany ny teo am- pelantanako, ka voatery nanafatra taty Antananarivo, na tany andafy mihitsy aza. Kanefa ny fihatsarana miandalana hitako dia nampirisika ahy hanohy.

XXIX Tsy vitan’izany fa arakaraka ny fifaneraserana no nampivaha ny tsikelikely ny fatorana tsy hita maso namatotra ny vavan-drangahy ka nilazany ny zavatra sasantsasany nofihininy ho azy samy irery. Nony farany dia ny tantarany manontolo no nambany ahy, ka mbola ahatsiarovako mandrakizao an’Ambohitraivo. Ary averiko aminao koa izany araka ny nitantarany azy tamiko. 12- Sabotsy 21 jona 1969 , IV lah 3940 -Rajaonary no anarako, ary Jaona no fiantson’ny olona ahy. Efatra mianadahy izahay no naterak’i Dada sy Neny ka izaho no fahatelo, nanan-joky mianadahy ary zandry vavy iray. Mpiasa, mpitana birao tamin’ny lalamby ny raiko, ary nanao akanjo-zaitra kosa ny reniko, ka ny vola voaangony tamin’izany nantsoiny hoe: “ mba hitoviana amin’ny olona” dia nahavitany trano roa salasalany tao Antananarivo (ny iray nipetrahanay, ary ny iray nahofa) ny nahafahany koa nividy ity eto Ambohitraivo ity tamin’reo mpiara-mandova taminy. Azoko lazaina fa samy nanana ny nitaizan’izy mivady anay izahay efatra mianadahy. Voakarakara mandrakariva hatramin’ny zavatra madinika izy mianadahy zokiny, fa izahay mianadahy zandriny kosa dia karazan’ny navela ho teny ho eny ihany. Na tamin’ny famonjena fiangonana sy fivoriana samihafa, na tamin’ny famangian-kavana, dia izy mianadahy foana no nentina. Ary na Dada na Neny dia samy tsy nanafina ny tombom-pitiavany.

Ialahy no lahimatoa ka handimby ahy any aoriana, hoy i Dada -Mba mizara mahay olona sy mihetsiketsika retsy fa aza dia mitomemaka, hoy ny anatranatra fanaon’i Neny tamin’ilay vavimatoany. Izahay izao voa mafy fa nentin’ny habadoana, fa ny tanora tahaka anareo mbola afaka miezaka mba ho tafakatra ambony. Ny antsoin’i Neny hoe “ambony” dia ireo olona nanankarena na niseho ho nanankarena, nanaitaira ny manodidina tamin’ny fomba fitafy, marevaka sy miovaova, ny fiteny miharo teny vahiny, sy aotomobilina sy ny forongony. Ny nahagaga anefa dia tsy ilay vavimatoa no nandairan’ny anatra fa ilay faravavy. Ilay vavimatoa mantsy nanambady mpandrafitra tsotso-piainana ary dia nandany andro fotsiny tamin’ny fitaizana ny zanany maro. Ilay faravavy in-droa nisara-panambadiana, nanambady “olona ambony” araka ny fieritreritr’i Neny azy, lefitry ny lehiben’ny tranombarotra ny voalohany, dokotera ny faharoa, ary mpiasam-panjakana nanao fianaran-draharaha tany andafy na fantatro ho vadiny farany. Izaho dia tsy sarotiny loatra tamin’izay nitondran’i Dada sy Neny anay. Indray mandeha no mba tsaroko ho tena naratra ny foko. Nangataka hividianana akanjo aho mba hanaovako indray taom-baovao. Ary hoy ny navalin’i Dada hoe: “aiza lehitsy no dia hividianana isan-taona, fa mba miafiafia aloha. Ilay kaopileko anankiray ao amboarina ho an’ialahy!...Tsy nisy fandavana na kely anefa raha nangataka talohako ilay zokiko. Iny no tena tsaroako fa ny tsy mba fiheverana ahy firy dia tsy nataoko ho nampanahirana ahy loatra. Ny hodi-dohako no nihorina indraindray raha nieritreritra ny nahazo an-jokiko. Fa saiky isan’asabotsy sy alahady, dia tsy mba afaka nandeha tany amin’izay nalehany, hatry ny fahakeliny ka mandraka ny efa lehibe nitadiavam-bady, fa tsy maintsy niaraka tamin’izy mivady. Raha tsy mamonjy fiangonana dia “manao fihavanana” mamangy mana- manjo, nefa indraindray hava-tetezina na olona fantampatatra fotsiny no vangina! 13 – Alatsinainy 23 jona 1969, IV lah 3941 II) JAONA Koa azoko lazaina fa niarahaba tena aza aho, tsy voasingotsingotry ny famaritan’i Dada sy Neny izay nantsoiny ho “adidy”. Nandeha tany amin’izay nahadiavolana ny kiboko aho, na fijerena baolina aman- tsinema, na lanonana amam-pikoranana nanasan’ny sakaiza, nefa koa namonjy fiangonana sy nihaino koferansa samihafa. Tany amin’ny sekolim-panjakana no nanombohako nianatra dia nifindra tany amin’ny sekolin’ny Misiona, ary mbola nianatra ny raharaham-barotra koa tany amin’irony trano fampianarana manokana ny asam-barotra irony. Tsy nahazo diploma ambony aho, nefa kosa nahafantampantatra sampam-pahalalana sasantsasany ihany, fa mba anisan’ny zavatra mba tiako ny famakiana boky. Feno iraika ambin’ny roapolo taona aho no nanomboka niasa tamin’ny Karana iray, ary rehefa nilaza izany tamin’i Dada dia nahazo fitenenana indray: - Hafahafa mihitsy ny fandehan’ny sain’ialahy ity, hoy izy. Tsy mba nodinihin’ialahy akory ve ity asa nidiran’ialahy ity na hampisondrotra an’ialahy na tsia? Ny mpivarotra mety ho banky, na dia ao anatin’ny iray volana aza, ka aiza no halehan’ialahy raha banky io karana io. Ny sasany amin’izy ireny rahateo mody banky rehefa mahailika misimisy…He! Sahady izany ampanaoviny an’ialahy fa sady mpitaky trosa no mpitana bokim-bola no mivarotra amin’ny magazay. Dia mbola tsy nalehan’ny sain’ialahy mihitsy ny

XXX hanara-dia an-jokin’ialahy ka hiditra ho fonksionera, kely karama am-panombohana aza, azo antoka ny fisondrotana rehefa tsara fiasa, ary azo antoka koa ny fisotroan-dronono amin’ny amdrom-pahanterana. Valinteny tsotra tahaka ny fanaoko mandrakariva ihany no nataoko taminy: -Fanombohan-javatra aloha ity ry Dada, hoy aho, fa dia ho hita eny ihany izay mety hatao amin’ny manaraka. Sitrany ahay aloha izao mba tsy angatahiko aminareo na dia ny vola hamidy mosoara aza. Ny antony dia tsy mba adihevitra nitadiavana fanazavana no fanaon’i Dada tamiko fa fanekena miaro faniniana izay nataoko, hany ka tsy mba tiako ny nanao resaka betsaka. Ny zavatra iray tamin’izay vitsy nanehoany fankasitrahana ahy dia ny fikasako hanambady zazavavy iray nantsoina hoe Bako. Ary tsy izy ihany no faly fa i Neny koa. Voadokadoka ery ny fahaizako mifidy sy ny voninahitra ho azon’ny fianakaviana hidiran’ity tovovavy ity. Marina tokoa fa sady tsara tarehy no bikana ilay Bako, ary zanak’olona nahazo harena tamin’ny varotr’omby ka nivelona fotsiny tamin’ny hofan’ny tranony hatreto Antananarivo ka hatrany Tsiroanomandidy. 14- Talata 24 jona 1969, IV lah 3942 Kinanjo ka diso fanantenana Dada sy Neny fa tsy tanteraka ny fanambadiana efa nampifaly azy ambony ihany. Indray andro mantsy, raha nandeha nitsidika an’ i Bako tany aminy aho ( fa efa neken-dray aman- dreniny ny hifaneraseranay) dia tsy reny na tsy nampoiziny ho efa tao an-dalantsara aho. Sakaizany no efa niresaka taminy tao amin’ny trano fandraisam-bahiny ary nalaim-panahy aho nihaino, satria voatonona ny anarako. -Hay! ve iny ilay Jaona iny izany ho vadin-dranona izany, hoy ilay namany. Marina raha mba nampoiziko raha ny fahalalako ny toetran-dranona! Lakalaka tokoa ny fitiavana …. -Mpisakaiza hatry ny ela isika ka tsy anafenako, ranona hoy Bako. Tsy dia tiako amin’ny foko anie akory Jaona fa saingy misy antony no nanekeko azy aloha. -Eny, iky! -Hitan-dranona fa aminay telo mirahavavy dia izaho sisa no tsy manambady. Tsy vitan’izany fa Liza ilay zanak’olo-mirahavavy aminay dia iny vao navoaka tamin’ny iray volana iny, kanefa mbola zandriko Liza. Ka mba tsy tantiko ihany izany ho tondroin’ny olona molotra hoe “ lany zara”, kanefa tsy sima tsy poa-maso. Izany aloha no nanekeko an’i Jaona na tsy tiako tanteraka aza. -Misy marina ihany ny tenin-dranona, hoy ilay namany. Ary i Jaona koa anie tsy dia hoe ambaka noho ny hafa e! Angamba misy ny mitsiriritra azy, saingy aty amin-dranona aloha izy no niantefa. Tsy niditra tao anefitra intsony, rahefa nahare ny resak’izy roa, fa ny lalana mody no nasiako olona. Ary dia nafoiko hatreo Bako. Hatezerana moa izany ny an’i Dada sy Neny nony nilazako fa niova hevitra indray aho. Nohenoiko fotsiny izay teniny satria fantatro fa tsy ho takany izay fanazavana mety hataoko. Zavatra sasantsasany tamin’ny fahazazako sy ny fahatanorako ihany izao tantaraiko anao izao, fa ny tiako ho lazaina dia izao: ny fitambaran’ireny fisehoan-javatra samihafa ireny, na ny voalazako na ny tsy voalazako, dia toa nahatsiarovako fa olon-kafa aho, na tamin’ ny fianakaviako aman-kavako, na ny tamin’ny ankamaroan’ny namako, fa tsy nitovy koa ny fomba fahatakarana. Ny fijerena sinema, ny fihainoana konferansa, ny famakiana boky sy gazety, ireny no nankafiziko ka nanadinoako ny zavatra hafa manorisory ahy. 15_ Alarobia 25 jona 1969, Iv lah 3943 Koa rehefa maty Dada sy Neny (nifanao herintaona mahery kely ny nahafatesan’izy mivady) ka natao ny fizarana izay navelany dia nanolotra hevitra tamin’izy telo mianadahy aho hifanamboarana: ny tany Antananarivo ho azy ary eto Ambotraivo ity kosa ho ahy. Tsy nisy ady hevitra firy fa samy nanaiky. Izy telo mianadahy moa faly ny hijanona tany Antananarivo, fa tsy nandalo ny eritreriny mihitsy izany hoe honina any amin’ny toeran-kafa. Izaho koa te hisinda, fa nahatsiaro vizana tamin’ny fomba fiainan’ny renivohitra. Ary efa nisisika tsikelikely tao an- tsaiko, ny hankany amin’ny toeran-kafa, ka raha vao tonga ny resaka momba ny fizaran-dova, dia tonga ho azy ny hevitro handray ny ety Ambohitraivo. -Efa nandairan’ny fahazarana isan-karazany loatra ny ankamaroan’ny mponina eto Antananarivo, ka tsy afa-miala amin’ireny intsony, hoy ny eritreritro.

Ny any ambanivohitra kosa mbola olona vaovao, ka hahafinaritra ny hifanerasera aminy, ary eny no anorotoroako ny zavatra samihafa tokony ho fantany araka ny toetr’andro ankehitriny. Tiako rahateo ny hahalala misimisy kokoa ny momba ny taniko, ankoatr’izay voalaza an-tsoratra, ka ny eny ambanivohitra no ahafahako mahatsapa an’izay tena misy.

XXXI Notanterahiko ny hevitro, ka rehefa vita ny fifampizaranay telo mianadahy dia nametraka ny fialako tamin’ilay karana niasako aho, nividy ny kojakojan-javatra samihafa mety hilaiko, ka nandao an’Antananarivo sy ny momba azy. Izany no nahatongavako teto Ambohitraivo. Ary mbola eto aho mandraka izao na diso aza ny fanantenako.

III)-Pendo Diso ny fanantenko, hoy aho. Sendra ny zavatra tsy noheveriko aho ka tafiditra tamin’ny fahasahiranana lalina. Alohan’ny hitantarako izany anefa, dia aoka aloha ho lazaiko aminao ny momba nyan’i Pendo. Izy moa no hitanao voalohany sy mbola hitanao eto an-tranoko, renao miantso ahy hoe Dadatoa. Ary izy koa no mba tahaka ny kintana kely mamiratra ao anatin’ny fianako maizina, ka dia ny aminy no aoka hampahafantariko anao mialoha. 16- Zoma 27 jona 1969, IV lah 3945 Fantatro fa vetivety foana no fielin’ny vaovao ety ambanivohitra, na dia tsy misy gazety na radio aza. Koa raha vao avy eny an-tsena aho indray mandeha, tokony ho efa-taona, dia nahare fa fa nisy vehivavy maty teo am-piterahana tao amin’io hopitaly iadidianao io, izay tsy manana mpanaraka afa-tsy zazavavy kely iray tokony ho folo taona.Voalaza fa efa natao ny fikarohana fa nefa tsy hita izay havan’ilay maty, ka dia ny fokonolona no nanao ny fandevenana azy. Nifanontaniana koa ny hanaovana ilay zazavavy kely, nefa niolonolona be ihany izay noheverina handray azy. Tonga tamiko ny fanontaniana, ary tsy nisalasala aho nanaiky. Tsy noho ny fo antra olona nananako ihany fa noho ny fahatsiarovako koa fa irery tahaka ahy koa ilay zaza. Lalina ny fahasahiranako namalifaly azy fa tsy vitan’ny hoe tsy mbola nitaiza zaza aho ka tsy nahatakatra ny mety ho fandehan’ny sain’ny ankizy, fa izy koa tahaka ny verivery saina noho ny alahelo sy noho izy tsy nahalala ahy akory hatrizay hatrizay. Raha nanontany azy aho tany am-boalohany dia tsy nisy nolazainy afa-tsy ny anarany hoe Pendo izay tsy novaiko mandraka izao. Nihazatra ahy ihany anefa izy, niala tsikelikely ilay toa rindrina tsy hita maso nanelanelana anay, ary azoko ankapobeny tamin’ny resaka nataony ny momba azy. Maty ny rainy, ary sahirana ilay reniny ka voatery nikarama tamin’olona. Bevohokan’ilay zanak’ilay mpampiasa azy anefa renin’ i Pendo, ary rehefa nahita izany ireo mpampiasa azy dia noroahiny ravehivavy. Tsy tafapetraka tao amin’ilay vohitra niasany intsony izy fa na ny fianakaviany na ny hafa, dia samy tsy nety nandray azy koa. Nifindra monina no niafaran’izy mianaka noho ny toeran-tsy zaka natao taminy, ka farany dia teto Ambohitraivo izy mianaka no niafotra. Marina fa misy ny vehivavy jerena fa salama saingy manana aretina miafina ka eo am-piterahana vao azon-javatra mafy, kanefa inoako fa ny nahafaty ny renin’ i Pendo sy ilay zaza tao an-kibony dia ny faharerahan-tsainy sy vatana nahazo azy Ny fahalalako izany rehetra izany dia vao maika nampitombo ny fitiavako nikarakara an’i Pendo. Raha mbola nisy koa zavatra azoko natao ho azy dia nataoko. Ary lalina kosa fa tsy mba nanararaotra ny fampihatako azy izy, fa izy indray aza no niteny ahy, na nandà mihitsy tsy handray izay nomeko azy, raha nisy noheveriny ho tafahoatra. Fa misy koa tantara kely anakiroa momba an’i Pendo tiako ho lazaina anao. 17- Sabotsy 28 jona 1969, IV lah 3945 Indray mandeha dia nisy voronkely niantefa teo am-baravarakely. Naratra teo amin’ny elany sy ny tongony ilay izy, fa angamba notoroahan’ny ankizy tany ho any, ary toa tahaka ny nitady vonjy no nahatongavany, dia nisiotsioka moramora, toa velom-pisaorana. Tsy namelan’i Pendo aho raha tsy nikorapaka nanao trano ho an’ilay voronkely, ary izy kosa nisomokotra nampisotro rano sy nampihinam- bary azy.Ny afak’ampitso anefa dia maty ilay voronkely. Ary tsy haiko lazaina anao ny alahelon’i Pendo, fa tontolo andro izy tsy nanendry hanina. Indray mandeha koa dia zanak’omby tafasaraka tamin-dreniny no nitsofoka tatsy amin’ny tanimbolinay, atsy andrefana atsy, ary nisaringotra teo amin’ny fefy ka tsy afaka niala. Nandeha nitsongo anana Pendo tamin’izay, ary naharitra ela ka lasa aho niantso azy. Ity nisomokotra nanafaka ilay zanak’omby, kanefa tsy hainy ny mamaha azy, vao mainka koa nifamatotra ireo tady sy tariby. Ampio aho, ry Dadatoa, hoy izy, fa mampalahelo ity zanak’omby ity! Tsy nivonona ny hanampy azy velively anefa aho fa sorena mafy nahita ny volinay voahitsakitsaky ny omby. -Aza ela, Dadatoa, hoy izy. Natahotra angaha ilay reniomby nahita ahy ka lasa nitsaoka, ary jereo ity zanany fa te hanaraka azy nefa tsy afaka. Mampalahelo ery!

XXXII Tsy naharitra aho nony kelikely, ka nanampy azy ihany. Kinanjo raha mbola nisomaritaka teo izahay mianaka, dia nandalo ny vehivavy anakiray atao hoe Rahasy. Avy hatrany dia nihiaka izy nahita anay: -Aoka fa izao vao tena tanteraka ny hoe: azo am-body omby, hoy izy. Nangalarinareo ny zanak’ombin’olona. Ela nanaovan-dratsy ireto marina ka izao vao azo! -Tandremo ny vava, ramatoa ity, hoy aho, sao dia hahitan-doza. -Izay iray isika, mahita loza, hoy izy, dia lasa izy nanao dia maika. Ary vetivety foana dia niverina niaraka tamin’ny olona maromaro. -Ahy tokoa io zanak’omby io, hoy ny lehilahy anakiray niaraka taminy, atao hoe Rakoto. Saiky hampiditra azy indrindra aho izao saingy tsy hitako izay nalehany. -Aiza no hahitanao azy nefa afatotry ry zareo ity! Hoy ilay Rahasy. -Sao dia heverinao ho nangalatra izahay, hy aho, nefa… -F’inona fa tsy nangalatra ianareo, hoy ilay Rahasy. Izaho izao no nahatratra anareo namatotra io zanak’omby io ka inona indray? -Mifatotra ve izy io? Hoy aho. -Fantatrao fa niantso ny fokonolona aho, hoy ilay Rahasy, ka tsy ho vahanao? 18- Alatsinainy 30 jona , IV lah 3946 -Tsy nagalatra izany izahay sy Dadatoa, hoy Pendo kely ninefonefona. Na oviana na oviana tsy mangalatra izany izahay sy Dadatoa fa voatanan’ny fefy io zanak’omby io dia nalainay fa mampalahelo anay. -Mangina ikalaratsy ity! Hoy ilay Rahasy. Izaho indray izany no lazainy mandainga! Izao izy ry ingahy Rakoto, mandehana antsoy ny lehibe sy ny mpanao fanjakana fa isika rehetra izao no miara-mahita. Ary tsy avelako amin’izao koa ikala maivan-kitsaka io, fa izaho no mba tombontombohiny ho mpandainga! -Tsy haiko lazaina anao ny herin-tsaina nangoniko nentiko nanindry ny foko, safotry ny hatezerana. Hatezerana nahita an’i Pendo nigogogogo nitomany, hatezerana tamin’ny tombotomboka foana tsy misy antony, nanampy ireo lainga samihafa izay mbola ho lazaiko anao. -Eny, hoy aho nanatrika ireo olona vory teo. Mandehana antsoy izay tianareo antsoina, fa izaho koa hitory. Raha tsy tapenana tahaka ny anareo masony, dia hivandravandra aminy ny fefinay sy ny volinay potiky ny omby. Ary fantatrareo tsara fa araka ny dinam-pokonolona dia mandoa sazy izay mampitondraka ny ombiny amin’ny volin’olona. Fa mba nangenahena koa izy izy ireo nahare ny teniko sy nahita ahy vonombonona. -Aza ela fa miandry aho, hoy aho. Nifampijerijery izy rehetra, ary nony afaka kelikely dia nanatona ilay Rakoto. -Aoka, rangahy, tsy ho hasarotina ny zavatra, hoy izy. Ny zanakombiko hitako, ny volinao tsy dia be no simba, ka aoka ho faranana ny adihevitra, fa aiza indray no hanabataba mpanao fanjakana. -Izaho tsy sarotiny, hoy aho, kanefa rahefa hatao izy ity dia hatao ka dia izay hevitrareo fa miandry. - Nisangonongonona be ihany teo izy rehetra.

Ny sasany nilaza fa raha sery vitan’anamalaho tokoa ve hamonoana akoho, ary tsy tanty ny hiaka-midina any amin’ny mpanao fanjakana; ny sasany nilaza fa tsy tokony hatao vitavita foana ny raharaha fa manjary mampirisika ny ratsy fanahy. Tsy naharitra aho fa efa fanin’ny hatezerana ka nilazako izy ireo fa raha misy ilainy ahy, dia fantany tsara ny tranoko, ka azony antsoina aho na anio na ampitso. Ary noraisiko ny tanan’i Pendo dia nandeha izahay mianaka. Tsy nahinan-kanina Pendo rehefa nisakafo izahay ny harivan’iny. -Hano ny varinao, anaka, hoy aho, aza varimbarina fa mandry ny menaka. -Varina tokoa aho, ry Dadatoa, hoy izy nibanjina ahy. Naninona an’ilay ramatoa iny aho no tonga dia niadiany fotsiny! Maninona no isika nanafaka ny zanakombiny indray no lazainy ho nangalatra azy. 19- talata 01 jolay 1969; IV lah 3947 -Aza be eritreritra amin’izany ianao, hoy aho, fa ny vary ho hanina. -Mahakamo tsinona izany mahita olona ratsy fanahy, hoy izy. Angaha Dadatoa ratsy fanahy taminy no ratsy fanahy tamin’i Dadatoa izy! Nanangona herin-tsaina fanindroany indray aho, namehy ny vavako tsy hilaza tamin’i Pendo ny zavatra nibosesika tao antsaiko izay nohetsehin’ny teniny. -Any aoriana any angamba mbola ho fantatrao ihany, ny tena marina, hoy fotsiny aho. Ny sakafo aloha atrehina anio. Ataoko fa hahafantaranao ny momba an’i Pendo izay tantara roa nolazaiko anao izay.

XXXIII Ny tamin’ny raharahan’ilay zanak’omby dia tsy nitory ry zareo. Kanefa na tsy nitory izy dia zavatra ratsy lavitra no vitany, ary ho hitanao amin’ny fitohizan’ny resantsika izany. Fahavelon’i Dada sy Neny dia efa mpankaty ambanivohitra izahay, na dia tsy matetika aza, noho ny haratsian’ny lalana. Koa dia nifankalala endrika tamin’ny sasany tamin’ny mponina ihany aho, fa saingy Rainijery no anisan’izay fantatro manokana, satria tamin’izany dia efa be mpahalala izy ary na dia zandrin’i Dada be ihany aza tamin’ny taona dia nifandray taminy. Tsy dia noho izany anefa no hitantarako aminao ny aminy, manarakaraka an’i Pendo, fa mbola izy no azoko lazaina ho tena nampitondra faisana ahy voalohany! Fantatrao ny aminy: io afovoan-tanana io no trano fonenany, izy ny lehibe indrindra eto Ambohitraivo, na tsy ny tsara indrindra aza; na eo aza ny mpanao fanjakana isan-karazany, ny ray aman- dreny zokiny na mitovy taona aminy, ny mpitondra fivavahana, dia izy no azo lazaina ho mifehy ny tanana fa ekena izay lazainy, hatrany amin’ny fitondram-bahoaka ka hatrany am-piangonana: izy no manana omby maro indrindra, manana tanimbary be indrindra, ary manana ny varotra lehibe indrindra eto an-tanàna. Izany ny amin-dRainijery. Ary toy izao ny momba azy. Tsy tsaroako na iza na iza no nilazako voalohany ny fahatapahan-kevitro hijanona eto. Fa hefarana monja taorian’ny nahatongavako dia ity tonga nitsidika ahy Rajery

(taty aoriana vao fantatro fa tsy mba fanaony ny manantona olona raha tsy misy zavatra ahazoany tombony, fa olona no tonga manatona azy).

20 Alarobia 02 jolay 1969, IV lah 3948 Vao namaly ny fiarahabako sy ny fampiantranoko azy izy, dia tsy nisy farany ny teha-tsoroka nataony tamiko. -Ialahy no tena lehilahy lehiroa! Ialahy no tena tia tanindrazana! Hoy izy. Ho velona Ambohitraivo raha maromaro ny tahaka an’ialahy, mahatsiaro tena hiverina an-tanindrazana, rehefa mahavita fianarana any an-drenivohitra any! Ialahy izao no hataoko porofo velona amin’izay averimberiko amin’ny olona. Fa maro anie lehiroa ny tambanivohitra mitsoa-ponenana mankany an-tanan-dehibe fa voasinton’ny rendrarendrany! Jery zanako aza mila ho voaraikiraiky koa. Izao tahaka ny atosik’Andriamanitra ialahy ka niverina eto hataoko porofo amin’ireo mila tsy hino ny teniko.

Tsy vitan’ny fandokafana ahy no nataon-dRainijery, fa mbola nampiany fanomezan-toky sesehena ihany koa amin’ny hanampiany raha sendra misy manahirana ahy na inona na inona. Fisaorana safobe mantsina fotsiny kosa no navaliko fa nampadisadisa ahy ny resaka be. Toa nisy nanaitra ahy sahady koa tany anatiko tany ho any, fa zavatra hafahafa no fonosin’ny teny mamy nataony. Nentin-kenatra anefa aho no tsy mbola nahalala izay tena marina momba azy ka na tao aza ny fahadisadisana sy ilay toa fanairana, dia toa nanaiky lembenana foana tamin’izay nolazainy hatrany aho. Nivarotan-dRainijery omby aho aloha tamin’ny voalohany. Ny vola, vola ihany hoy izy, kanefa tsy dia ilaina loatra aty ambanivohitra; ny fananana omby no tena zavatra fa anankiray dia izay no hanajan’ny olona anao, ary vidin-kaja vidim-boninahitra fa mba olona nanana ny lazany ihany teto an-tanana sy ny manodidina ihany ny ray aman-drenin’ialahy ka ataon’ialahy ampatam-bary ve ny voninahitra an-tsobika; manaraka izany dia ilaina ny omby amin’ny fiasana na hampitarihana sarety na hasaina mihosy. Nanahy aho fa sao dia hanana endrika hafahafa tokoa eo anoloan’ny tambanivohitra ka dia nanaiky, kanefa tsy nafeniko azy ny ho fahasahiranako amin’ny fandoavana ny vidin’ny omby satria mba efa nisy ihany ny zavatra hafa nokendreko. -Tsy misy manahirana izany lehitsy! Hoy Rainijery. Fa tsy efa nampanantena an’ialahy moa aho fa hanampy an’ialahy. Omby roa vidina ka ny vidin’ny iray aloha homena ary ny vidin’ny iray alohan’ialahy tsikelikely. Fantatro hatrin’ny fahakelin’ialahy ka matoky an’ialahy aho.

4- Rainijery 21- Alakamisy 03 jolay 1969; Iv lah 3949 Tsy misy manahirana izany lehitsy! Hoy Rainijery. Fa tsy efa nampanantena an’ialahy moa aho fa hanampy an’ialahy. Omby roa vidina ka ny vidin’ny iray aloha homena ary ny vidin’ny iray alohan’ialahy tsikelikely. Fantatro hatry ny fahakelin’ialahy ialahy ka matoky an’ialahy aho. Tsy olon-kandalo rahateo ialahy fa honina, ka raha sanatria mihevitra ny hamaly ny volako ve ialahy dia hahajery ahy! Nanaiky aho ka dia nividy omby roa taminy.

XXXIV Nanaraka ny omby novidiko taminy dia ny taniko kosa no novidin-dRainijery na karazan’ny lasany maina aza no azo ilazana azy. Nifanena teny an-tsena izahay indray mandeha, ary avy hatrany dia horakoraka araka ny mahazatra azy no nataony tamiko. - Ity eto ialahy tahaka ny natosik’Andriamanitra! hoy izy. Andeha ho any an-trano vetivety. Nilaza taminy aho fa maimaika ihany, ary niala tsiny raha tsy afaka hiantrano. - Marina ny an’ialahy, hoy izy, fa tsy tokony laniana amin’ny resaka lava ny fotoana hahavitan- javatra. Andeha hanketsy an-joron-tsena isika mianaka vetivety, fa eo ihany dia ho vita ny resaka. Nolazainy ahy fa misy sombiny amin’ny tanin-dry Dada tafatsofoka amin’ilay taniny ery am-pitan’ny rano ka manjary mifanitsaka ny fitarihan-drano. - Aoka ho vidiko io lehiroa, hoy izy, fa sady soa ho an’ialahy no ho soa ho ahy. Nilaza taminy aho fa tampoka tamiko ny fangatahany ka tsy hitako izay havaly azy eo noho eo. Saiky tsy tapitra akory anefa ny teniko dia efa voavalin-dRainijery: - Fantatro ihany izany, ary ialako tsiny amin’ialahy hoy izy, kanefa maika ny raharaha, ary izany no nanaovako hoe tahaka ny natosik’Andriamanitra ialahy ho hitako androany. Tsy ny anareo ihany mantsy nomisy hividianako, fa ny an’olon-kafa koa. Asa raha fantatr’ialahy ry Rainizanabary mbamin-dry Raketamavo fa nanararaotra ny andro tsena ry zareo ka ety izao, ary izany koa no tiako hararaotina. Samy lavitra mantsy ny misy azy, ka ho sahirana indray ry zareo hiverina aty, sady Raketamavo tsy vitan’ny maha-vehivavy azy fa efa antitra! Mbola nilaza ihany aho fa na eo aza ny fahamaikana dia tsy azo laizina ny raharaha; tsy ho vita vetivety eo ny fanoratan-tany. Kanefa dia mbola voavalin-dRainijery avy hatrany ihany koa izany: - Zanantsika ilay ao amin’ny birao, hoy izy, ka tsy misy ahiana. Ny vavolombelona efa vonona rahateo. Raharaha vita tapak’andro ve lehitsy, hanaovana ampitso lava handany andro. Androtr’iny ihany tokoa dia vita ny fanoratana. Lasan’Ingahy Rainijery ilay ilan-taninay. Toa mampihomehy ihany raha heverina ny fanekinekeko fotsiny izay nataon-dRainijery, tsy tamin’ireo zavatra roa loha ireo ihany, fa tamin’ny hafa koa izay tsy voatantarako. 22- Zoma 04 jolay 1969, IV lah 3950 Kanefa tao ny tsy mbola fahalalako ny marina momba azy, tao ny hena-maso, ary raha ny amin’ity raharahan-tany ity, dia tao ny fangorahako ilay vehivavy tambanivohitra nolazainy ho anisan’ny tompon- tany hivarotra taminy. Fa ny hanampy sy hanazava ny tambanivohitra, noho izaho efa leon’ny tambonivohitra, no nahatonga ahy hifindra monina ety Ambohitraivo, ka izay zavatra kely azoko hatao aminy toy ny tahaka ireny ve dia ho laviko? Androtr’iny ihany koa anefa dia nitranga ihany tamiko ny momba an-dRainijery. Fa raha vao tonga kely foana tany an-trano aho, dia indreto tonga koa ilay Rainizanabary sy Raketamavo, saikatsaikatra, ary koa nalahelo tarehy: - Sahiran-tsaina ihany izahay anaka vao tapa-kevitra ny hankety aminao, hoy izy. Sahiran-tsaina fa androany tery amin’ny birao isika vao nifankahalala ka dia tahaka ny manarak’olona foana toy ny tsipolitra antitra izahay. - Tsy misy tsiny mihitsy ny amin’izany, hoy aho, ny hifankahalala aminareo toy izao indrindra no iriko. - Eny, anaka, hoy ilay Raketamavo. Anisan’ny naha-tapa-kevitra anay hankety ny fijerena ny endrikao tsotsotra sy bebe fitiavana. Kanefa na teo aza izany dia mbola sahiran-tsaina ihany koa izahay, satria zavatra efa vita, rano raraka tsy azo raofina no nanaitikitika anay ho resahina aminao. - Anteriko aminareo indray tompoko, hoy aho, fa tsy mihafahafa mihitsy aho mandray anareo ka azonareo lazaina amim-pahatsorana izay tsy mampandry ny sainareo. Ary ny amin’ny hoe zavatra efa vita, dia ny maty angaha no tsy azo velomina, fa ny amkoatr’izany dia mety hisy fanafodiny ihany… - Ny nofon-kena mby an-tanan-tsaka ve ho azo intsony, hoy Rainizanabary nihomehy tsisazoka. - Raha misy azoko hanampiana anareo, dia matokia fa hataoko, hoy aho. - Ity, anaka, no mahalasa fisainana anay ary tsorina aminao fa mampalahelo anay, hoy Raketamavo, nahoana no namidinao tamin’Ingahy Rainijery ilay taninao? - Toa hafahafa izany fanontanianareo izany Raneny, hoy aho, kanefa dia ho valiako ihany. Namidiko tamin’Ingahy Rainijery ilay tany satria mila azy izy, ary izaho dia tsy dia mila azy loatra. Raha hisy soa ho azy ve izaho hitsivalana amin’izany, fa tsy manjary tia tena tafahoatra! Hahafahana manamboatra ny tata-drano rahateo ny fifampivarotanay, araka ny teniny. - Araka ny teniny, hoy Rainibary. - Izay dia izay ve, anaka no nahatonga anao hivarotra taminy?

XXXV 23 Sabotsy 05 jolay 1969, IV lah 3951 - Izay, hoy aho. Ary manontany ahy ianareo ka mba manontany koa aho: inona kosa no mba antony nivarotanareo ny taninareo taminy? Somary nisento kely Raketamavo vao namaly ahy. - Tsy diso ny fieritreretako, anaka, fa tsy mahalala ny antonantony tokoa ianao, hoy izy. Etsy ho lazaiko aminao: efa ela no nitsiriritan’Ingahy Rainijery an’ireo tany ireo, izay mifanolotra ny amin’ny azy; dia ny an’Ingahy Rainizanabary sy ny an’Itompokolahy vadiko, fa mpirahalahy moa izy; notambatambazany izahay; norahonany koa hivarotra taminy nefa tsy nety, fa mba tsy foy izany hivarotra ny tany navelan’ny razana, ary raha izaho manokana, dia io tany io sisa no hany tena antom-pivelomanako sy ny ankizy; koa tsy nety izahay; ireo tany manodidina ny azy dia tsy nampanano-sarotra loatra an’Ingahy Rainijery ny nahazo azy, fa ny anay no nanahirana azy satria voaelanela’ny tanin’Itompokolahy rainao. Rahefa namidinao anefa io dia tsy nahita iolahana intsony izahay, satria latsaka ao anatin’ny taniny ny taninay, ka ho aiza fa na ny lalana hidirana mankao na ny rano hotarihina dia fantatra fa tsy homeny!

- Aiza moa no dia izany, hoy aho. - Tsy mahalala an’Ingahy Rainijery tokoa ianao! Hoy Rainizanabary. Naleo nanaiky rahefa nanaiky ianao, fa haninona no hitady lolotra amalona mandavan-taona aminy eo. - Ary izay tsy fahalalanao izay no mampalahelo anay, hoy Raketamavo. Fa raha nahalala tokoa ianao dia tsy nivarotra taminy. Tsy nahateny aho aloha fa nisamboaravoaran’ny alahelo sy ny hatezerana. Hitako fa voafandrik’Ingahy Rainijery aho, ary avy tamin’ny nataoko no nahatonga ireto olona ireto ho voa mafy. - Tsy nahatsindry izahay raha tsy namboraka an’izany taminao, hoy Raketamavo. Ary tsy misy tsiny ifanomezana akory fa tsy nahalala rahateo ianao. - Tena marina tokoa fa tsy mahalala Raneny, hoy aho. Izao anefa: mampanantenanareo aho fa hanampy anareo raha misy azoko atao, ary hotanterahiko izany. Tsy iny namidiko tamin-dRainijery iny ihany no taninay fa mbola misy ny navelan’i Dada, ka hataontsika izay hifanamboarana. - Tsy sanatria hangataka aminao anie no nalehanay aty? Hoy Raketamavo fa mba hilaza fotsiny izay tsy tsindrin’ny fo. - Eny, hoy aho, fa dia tsy maintsy mbola hanantona anareo ihany aho. - Ary farany dia mba mahimahina ihany amin’Ingahy Rainijery, hoy Rainizanabary. Nivadibadika aho ny alin’iny ary na ny ampitso sy afak’ampitso aza dia mbola niady saina foana nieritreritra izay voalazan-dRainizanabary sy Raketamavo. 24- ALatsinainy 07 jolay 1969 ,IV lah 3952 IV- RAINIJERY Fa ho lazaiko anao ny nampifandona anay sy Rainijery , ny niandohan’izany sy izay naterany; - Marina ve sa tsy marina , ny zavatra reko? Hoy izy raha nampiantso ahy hankany aminy indray andro.Marina ve sa tsy marina fa nomen’ ialahy ho volen’ olona ny tanin’ ialahy ? ka hoe hisasahana ny vokatra, - - Izany no izy hoy aho - Ary marina koa ve hoy izy, fa samy nomen’ ialahy tany maimaim- poana ry Rainizanabary mbamin- dry Raketamavo. - Tsy hoe nomeko azy akory ny tany, hoy aho, fa saingy avelako ho voleny mandra- pahafatiny. Rahefa maty izy, dia miverina amiko ihany ny tany. - Soavaly vahiny ety tokoa ialahy ry Jaonary, hoy izy , ka tsy mbola mahalala izay tokony hatao. Ary soa ihany fa eto aho hanorotoro an’ ialahy fa raha tsy izany dia hihomehezan’ny olona no hiafaran’ ialahy. Ny ampahatelon’ny vokatra lehitsy no omena izay miasa ny tany fara –fahabetsany na ny ampahaefany aza fa tsy ny antsasany à! - Ny amin’ izany moa ry Ingahy Rainijery dia samy manao izay mahadiavolana ny kibony, hoy aho mba nitsiky koa. Izay ny ahy no mba azoazoko ka dia nataoko amin’ izay. - Tsy mbola mahalala ahy ialahy ka miteniteny foana, hoy izy. Na Itompokolahy rain’ ialahy any am- pasana aza angamba hihetsika raha mahita fa lanilanin’ialahy foana ny hareny nisasarany. Tanin’ny tena lehitsy, ka homena ny hafa fotsiny, tahaka an- dry Raketamavo ! Angaha taovan’ialahy sa volovolon’ ialahy ireny! - Diso angamba ianao fa mba mieritreritra ihany aho, hoy aho nanomboka ho tezitra ary mahatsiaro indrindra fa ny efa namelezany ahy. Tsy mandanilany foana izay navelan’i Dada aho, ary isika velona no miresaka ka aoka ny maty tsy ho tenitenenina.

XXXVI - Anatra tsy misorona no nataoko hoy Rainijery, ary mbola ho hitan’ialahy ihany ny fahamarinany; Fa niely vetivety kosa ny filazana ny fifanarahana nataoko tamin’ ireo izay niasa ny taniko ka tsy ela dia maro ny olona tonga nanatona ahy, nitady fifanarahana koa. Dimy vala ihany anefa no tany azoko nomena, niampy ny tanin’ anana nialan’ ilay namidiko tamin- dRainijery .Ankoatra ny fifanarahana dia mbola nanome torohevitra samihafa ny olona koa aho, arak’ izay mba hitako tamin’ny boky samihafa novakiako , ary na dia ireo tsy azoko nomena tany intsony aza dia tsy nihafahafa fa notoroiko koa izay mety ho toroina; 25- Talata 08 jolay 1969; IV lah 3953 - Nanahirana ahy ny nampianatra tamin’ny voalohany, nolalovan’ ny hakiviana aza aho indraindray fa tao ny efa voataizan’ny fahazarana fotsiny, ka tsy tia karokaroka na hanao fanadramana intsony, tao ny efa donton’ny fahabadoana ka na naverina im- polo kely aza ny fanazavana tsy nety niditra tamin’ny lohany. Nikiry ihany anefa aho satria efa nanan- kevitra hikaroka fomba fiainana vaovao sy hamindra amin’ny hafa izay mba fahalalana kely ananako, ary ny tety ambanivohitra indrindra no nalehan’ny saiko tamin’ izany; Vao nifoha mbola tsy niontsana akory aho indray maraina no tonga teto amiko mihitsy Rainijery. Hafa noho ny isan’ andro ny endriny, ary niriatra toy ny basy ny feony. Tsy nisy arahaba fa avy hatrany dia fitezerana. -Mbola mihevitra an’ ialahy ho mana- doha misaina ihany aho ry Jaonary, hoy izy, ka tonga hanafatra an’ialahy farany. Tsy hafafirin’ izay iza teto Ambohitraivo akory ialahy ka hamotsifotsy ny teniko. - Hazavao aloha ny resaka, hoy aho, fa aza aviavy ambony ihany. Inona no namotsifotsiako ny teninao? - Fa tsy efa nilaza tamin’ ialahy ny fomba fanakaramana ve aho lehity no mody maty eo ialahy ! hoy izy.Izao manjary mitady hifampisasaka amin’ny tompon- tany daholo ny mpiasa noho ny nataon’ ialahy! -Mba efa nilaza taminao koa aho ry Ingahy Rainijery, hoy aho, fa samy masi- mandidy amin’ny azy ny olona , ary izao no tiako hanaovana ny ahy. Na izaho aza ve mba afaka handidy anao amin’ izay tianao sy ny mpiasanao? - Hay ny haninana ahy izany no tadivan’ ialahy , hoy izy. - Tsy ny haninana anao na haninana olon- kafa no tadiaviko, hoy aho. Izay heveriko ho mety fotsiny no ataoko. Na ianao aza nidera ahy tany am- boalohany; - Ity angaha mivadik’ ondana à! Hoy izy.Inona no hiderako an’ ialahy amin’ny hagegen’ ialahy? - Manidina tokoa angaha ny teny ka mora adino ry ingahy Rainijery, hoy aho. Fa tsy ianao ihany moa no nilaza tamiko raha vao tonga teto Ambohitraivo aho fa mety sady tsara ny hiverenako eto Ambohitraivo hamelo- maso sy hampisondrotra ny tanindrazana. - Tsy fanondrotrana no ataon’ ialahy fa fandrodanana, hoy izy. Ampianarin’ ialahy izay tsy tokony ho fantany akory ny olona. - Manao azafady aho fa izao angaha no tonga amin’ny hoe hevitra tsy mitovy. Ny tany ho tany fotsiny raha tsy misy ny olona miasa azy. Ho rariny sy hitsiny ve, raha ny mipetra- potsiny tahaka ahy na tahaka anao no handray betsaka, fa ny miepan- tanana tsy hahazo afa tsy sakafo ambany foitra? - Ka dia ho tohizan’ ialahy izany izay ataon’ialahy ? hoy izy 26- Alarobia 09 jolay 1969, IV lah 3954 Tsy mihevitra ny hanova mihitsy aho, hoy aho. - Raikitra izany! hoy izy.Manao an’ ialahy ho be loha mantsy ialahy, satria zanak’ Antananarivo, mihevitra an’ ialahy ho tapitra efatra satria mba nahita izay fianarana kely hitan’ ialahy! Ny hafa anefa no azon’ ialahy hanaovana izany, averiko amin’ ialahy indray , fa tsy Rainijery no anaovan’ialahy izany.. Mitady ialahy ka hahita. Hahita tokoa ialahy ry Jaonary. Nikakakaka nihomehy izy dia lasa ary mandraky ny efa dify, dia mbola nanako teto an- trano ihany ny hehiny. Tsy afeniko fa nandona ahy ny fandrahonana nataony, kanefa rahefa nieritreirtra aho dia natoky ihany, satria tsy hitako izay fomba hamelezany ahy, ary efa tsy irery intsony koa fa efa nifankahazo tamin’ ireo olona niasa ny taniko sy tamin’ ireo nomeko torohevitra samihafa. Ny tolakandro ihany dia nazava tamiko ny nampisafoaka an- dRainijery.

Nampiditra ny omby ilay mpiandry azy dia nidresaka tamiko, ary notantarainy fa tsy nanaiky hiasa ny tanin- dRainijery intsony ny mpiasany sasany raha tsy hamboarina ny fomba fizarana ny vokatra , ary na

XXXVII dia ireo raiki- trosa taminy fa nampisamboriny vola na masom- boly aza, dia nandefa feo fa mba tokony ho dinihina ny aminy - Tezitra mafy ingahilehibe, any, hoy ilay mpiandry omby, fa ela ny ela ka misy sahy miady hevitra aminy. Ny ampitso dia nisy enin- dahy no tao amiko ary nanontany indray raha tahiny ka misy tany azo homena azy hiasany intsony aho. Natoroko lalana izy hitady amin’ny hafa fa efa nisy mpandray sy vita fifanekena daholo ny ahy. - Ka iza no aleha afa – tsy Rainijery, hoy ny anakiray nefa efa tsy tanty ny ataony. - Ho andevony mandrakizay izahay, hoy ny faharoa, fa ny trosa teo aloha tsy afaka ny manaraka manampy ihany. Aiza marina ny lalana hialana amin’ izao. - Efa tsy hita intsony tokoa izay hatao, hoy ny hafa, ka izany no nanatonana anao. Nanohina ny foko ny mahita ny fitokiany ahy kanefa sahiran- tsaina aho fa tsy hitako izay hatoro azy. Notsapaiko ihany ny heviny raha toa ka mety ho sahiny ny hidongy fotsiny tsy hiasa mandra- panaikin- dRainijery, kanefa saiky nandà daholo izy enin- dahy. Fa aiza hoy izy ireo no hamelomana ny vady aman- janaka raha toy izao indray no mbola tsy hiasa? Tsy havelany hipetrapetra- potsiny ireo ananany trosa fa tsy maintsy ho toriny any amin’ny fanjakana. Tsy nisisika intsony aho satria hitako fa tsy mbola masaka tao aminy ny hevitra. Fo feno alahelo no nilazako taminy hanohy ny asany aloha. 27- Alakamisy 10 jolay 1969, IV lah 3955 V- ILAY SEFO Nivadika anefa ny fandehan-javatra ka izaho indray no voalaza fa nampirisika ny mpiasan-dRainijery hiala. Nahazo fiantsoana hankeny amin’ny sefo kantao aho ka nofotorana momba izany. Nolazaiko azy ny marina rehetra nefa mbola izaho ihany no notanany ho mpandainga, na dia tsy nivantana aza ny filazany azy: - Tonga teto talohanao aho,hoy izy, ka mahalala kokoa an’Ingahy Rainijery. Tsy izy velively no hanao filazana diso amiko. Nihanjahanja fotsiny teo ny tanimbariny noho ny nataonao, ary izaho no voatery hamerina ireo mpiasany amin’ny asany. Ny antony dia satria ho voa mafy ny mponina indrindra fa ireo mpiasa, raha tsy miakatra ny vary. Tsy naharitra aho ka mba nanontany ihany, na ireo efa zara raha nahita ny ho hanina no ho tena voa mafy na Rainijery harary fa votsotra ny tombony tsy nisasarana efa nantenaina. - Izany teninao izany Andriamatoa Rajaonary, hoy izy, dia efa karazana porofo sahady fa mitetika an’Ingahy Rainijery ianao, kanefa aoka ho fantatrao fa izy no andrin’ny famokarana eto, satria azy ny tany. Ary na hatao aza hoe tsy hamely azy ny hevitrao, dia tsy mbola azo ekena koa ny hitarihanao hankeny amin’ny hahafaty azy. Koa mampitandrina anao aho, fa tsy afaka hijery fotsiny ny zavatra tahaka izao ny Fanjakana. Ireo mpiasa koa dia efa nampitandremako, ka notanako aloha ny roa lahy aminy ho anatra ho an’ny sisa. - Sao dia tsy rariny kosa izany ry Ingahy Sefo? hoy aho. Tsy nangalatra na namono olona ireo, tsy nanao an-keriny, ka tazoninareo! Heloka ve ny mitady izay mba hahasoa ny tena? Ary raha ataonao fa izaho no nanome fo azy ireo, nahoana no tsy izaho no tananao fa izy mpanaraka fotsiny? - Tsy dia ny hifamaly aminao no nampiantsoko anao, hoy ilay Sefo kantao, ka aoka ngaha aloha hifarana hatreo ny resaka. Ny hafatro fotsiny no hiangaviako anao ho tsaroanao. Navesabesatra ny lohako teny an-dalana nody, notsindrin’ny eritreritra samihafa.Aiza tokoa no halehan’ity olona ity raha tahaka izao no hahazo azy? Tsy misy nataony afa-tsy nitaky izay mba tokony ho anjara masoandro nefa dia tanana fotsiny tsy misy fitsarana! Izaho manefa izay kely mba afako amin’ny anjara adidiko, hanoro izay tokony ho fantatry ny tsy mahalala, kanefa izaho indray no omena “fampitandremana”! Nahoana ny mpanao fanjakana natao hitondra olona, nefa manana fijery hafahafa tahaka izao! Ho tahaka azy koa ve ny any amboniny any, ka tsy hahatsiaro akory ny fahavoazan’ny mpiara-belona aminy! Hatraiza ho aiza ny fetran’ny fahefan’Ingahy Rainijery no ny sefo kantao mpifehy avy ity no feheziny koa? Izany sy ny toy izany no nifamahofaho tao an-dohako teny an-dalana niampy fanontaniana lehibe manao hoe: 28 Zoma 11jolay 1969, IV lah 3956 - Ary inona no azoko hatao amin’izany rehetra izany? Variana aho ka raha tsy efa nandia tetsy am-bavahady tetsy tsy nahatsiaro fa tonga. Afaka herinandro monja taorian’izay dia nipoitra ny “fampitandremana” niseho tamin’ny endrika hafa: fitakiana ny hetran-tany mitotaly ho valon-jato sy roa arivo!...Nivanaka nony nikaroka ny taratasy nandoavana ny tany aloha aho, ka nampitaha, fa nitombo avo roa heny latsaka kely foana ity vaovao. Nisy fahadisoana va re sa fanahy iniana? hoy aho anankam-po. Aleo ho fotorakoizay tena marina. Tsy rototra akory ilay sefo kantao namaly ahy.

XXXVIII - Efa voadiniko sy voamarina daholo ny taratasy atao eto vao mivoaka, hoy izy. Io no aloanao. Ny fampitomboana mahagaga anao dia izao no antony: misy tany anankiray tsy voasoratra tao anaty raoly, ary izao vao hita, ary ambonin’izany dia mitombo vidy izao ireo taninao satria tsy voavoly tsara ka dia mitombo arak’izany koa ny hetrany. - Ny tany anankiray tsy voasoratra, hoy aho, dia ekeko fa marina, fa ireo fampitomboana kosa dia heveriko fa tena tafahoatra. Efa nisy namboly daholo ihany ny ankamaroan’ireo fahavelon-dry Dada ka izao no… - Aiza re izany Andriamatoa Rajaonary! hoy izy nitsiky vendrana. Ny olona mahalala tahaka anao izao indray ve no tsy hahatakatra fa mitombo anie ny adidintsika amin’izao efa nahazoana ny fahaleovantena izao! Aiza izay ho entina mampandroso ny firenena araka ny nolazainao indray mandeha iry, raha tsy misy ny hetra hanaovan’ny Fanjakana izany. Ary tsy ny olona mpitarika tahaka anao koa ve no tokony ho modely halain’ny olona tahaka, amin’ny fandoavan-ketra. - Ataonao moa, hoy aho, fa sitrapon’ny olona raha tsy voaloany ny hetrany. Mpifehy ianao ka no tsy mahalala koa fa misy izay mitady anio ihany izay ho hanina anio. Voatery hisambo-bola izy hanefany ny hetrany, ary manjary misy ny raiki-trosa mandra-pahafatiny. - Ny handoavana ny hetranao no ilaiko, hoy ilay sefo kantao fa tsy homenao fampianarana akory. Raha misy ilako lesona aminao dia ho haiko ihany ny mampiantso anao. - Tsy ny olona tahaka anao koa no hila fampianarana, hoy aho, fa ireo tambanivohitra nohamaizinin- tsaina hatrizay ary mbola tadiavin’ny sasany ho maizina mandrakizao. Kanefa mba efa andron’ny fahaleovantena izao, araka ny voalazanao teo koa, ka noho izany dia… 29 Sabotsy 12 jolay 1969, IV lah 3957 - Tanindrazana ihany no firesakao amiko, hoy izy, fa azoko atao anie ny mitana anao izao ankehitriny izao ho niteny ratsy mpanao fanjakana teo am-panaovana ny asany. Nisamboaravoaran’ny hatezerana aho, ary nila tsy ho tanako mbamin’ny sandriko. Tsapako anefa fa tsy fandrahonana fotsiny no nataony fa nivonona hanatanteraka izay nolazainy mihitsy izy ka dia notsindriko fotsiny aloha ny foko dia lasa nandeha aho. Fantatro koa fa raha hihenahena fotsiny amin’izao aho ka tsy handoa izay notakiana tamiko, dia ho sarotra ny toerako fa tsy hanahirana azy ny hamely ahy. Koa ny ampitso ihany dia naloako manontolo, na dia kely aza sisa ny vola tavela teo an-tanako. Nisy anankiray amin’ireo miasa ny taniko anefa efa nampanantenaiko hampisamborina vola, ka sorena ery aho nieritreritra ny fahadisoam-panantenana hahazo azy; ary nanahy azy aho sao dia ho heveriny ho mpamitaka koa. Tsy nisy anefa azoko natao hamonjena azy vetivety, ka ny sorisoriko sy ny ahiahiko fotsiny no nahafanina ahy. Fa rahefa voaloa andro vitsivitsy ireo hetra, dia nataoko tamin’izay kosa ny fangatahana fampihenan-ketra miaraka tamin’ny porofo nilaina. Tsy naharitra fa ny ampitso ihany dia voantso teny amin’ilay sefo kantao indray aho. Ary avy hatrany dia beroberoka tsy nisy farany ny nataony tamiko, fa mila kisa aminy sy maninaninana azy, hono, raha mangataka fampihenan-ketra! Nolazaiko azy fa zoko tanteraka izany, araka ny voalazan’ny lalàna rahateo. Ary dia vao mainka nisendaotra izy nahare ny teniko. - Eny! hoy izy, fa saingy hadinonao, tsy iza anie no mandray ny fitarainanao fa izaho nametra ny hetra ihany. Ka dia ho tonga hatraiza izay taratasinao? Tsy noraharahiko ny esoesony sy ny fanarabiany, satria efa nandefasako kopian’ny fangatahako koa tany amin’ny tompon’andraikitra tany Antananarivo. Tsy vitan’izany fa natoroiko lalana sy notaomiko ireo fantatro hanao fangatahana tahaka izay nataoko ka maro no nanao. Tsy nampiantso ahy intsony ilay sefo kantao, fa feo no nalefany hidona tany an-tsofiko nilaza fa satria mihaika azy aho dia hahita lehilahy, na taiza na taiza, hono, toerana nifehezany, tsy mbola nisy nitarika olona hanohitra azy. Raha natambatro an’eritreritra ny herin’Ingahy Rainijery sy ilay sefo kantao, dia tsapako fa tsy ho mora no hahazo ahy. Kanefa natoky aho, satria nitana ny marina, ary teo rahateo ireo olona izay efa nifandray tamiko ka ninoko fa tsy hanary ahy. VI- BALESA Tetika samihafa no nampiasain-dry zareo hamelezana ahy, ka nisy ny tsinjoko avy hatrany, ary nisy ny tsy takatro raha tsy efa nahavoa ahy. Anankiray tamin’ireny Balesa. 30- Alatsinainy 14 jolay 1969, IV lah 3958 Hatry ny fahakeliko, tamin’ny fankanesanay tety Ambohitraivo, no efa nahalalako an’i Balesa sy nifankahazoako taminy. Izy no nampianatra ahy nanao amponga tany sy nampiady tandrimo, izaho kosa nanoro azy ny kanety sy “kalesy”. Koa isaky ny midina tety izahay, dia Balesa no tena niaraka tamiko, raha tsy sendra ka lasa tany am-piandrasana omby na tany am-panetsana izy.

XXXIX Koa tamin’ny niverenako teto Ambohitraivo dia Balesa no anisan’ny notadiaviko voalohany. Tsy teto anefa izy fa hoe lasa nitady karama tany an-toeran-kafa. Taty aorindrina, efa raikitra ny adinay mbamin-dry Rainijery vao tonga teto izy. Indray hariva no nahatongavany nitsidika ahy, ary faly tokoa aho nahita azy tsy nihafahafa niresaka. Navoakany ny toaka efa nentiny hatrany, ary tsy nihafahafa koa aho nisotro, fa nafana koa ny resakay roa lahy nahatsiahy ny ela niaro ny sombin-tantara isan-karazany nolazainy avy tany amin’ny nalehany. Rahefa hisaraka izahay roa lahy, dia nangatahiko izy hiverina matetika, ary nanaiky tsotra izy, ka hatreo dia isaky ny hateloana, raha kely no tonga teto an-tranoko Balesa. Nikitikitika ny eritreritro ihany ny nahitany vola hamidy toaka, satria tsy niasa izy, nefa tsy sahy nanontany aho sao dia hanafintohina azy. Taty aorindrina anefa, dia izaho kosa no nividy, dia sady nahafinaritra ahy ny niresadresaka taminy no nihatiako ny nisotro. Tsy dia mpisotro aho akory talohan’izany, fa tonga amin’irony fitenenana hoe: rahefa mahita dia mihinana. Saingy rahefa niaraka tamin’ny Balesa aho dia nihanihinana. Fa ankoatra ny hafalifaliana nitambaranay roa lahy teo am-pisotroana raha niresaka, dia tsaroako koa fa toa nandranindranitra ny saiko sy nampitombo ny fahasahisahiako hanao zavatra ny alkaola. Indraindray, manomboka amin’ny maty masoandro izahay no misotro, ka tsy mijanona raha tsy efa misasaka ny alina…kanefa ny ampitso io hany indray dia mamerina. Pendo no nanaitra voalohany nilaza ny fiovana ratsy nahazo ahy, no nilaza koa fa tsy tiana Balesa, kanefa tsy dia nasiako fiheverana loatra ny teniny noho ny maha-zaza azy. Niteny ahy koa ilay Rangahy lehibe atao hoe Rainisoa, izay anisan’ireo nifandray betsaka tamiko, ary navesatra tamiko ihany ny teniny. Nohazavainy tamiko mantsy ny fihenan’ny lanjako teo amin’ny manodidina: ary tena nandona ny saiko izay nolazainy, saingy efa tafiditra ka tsy afa-niala. Ary na efa tsy niaraka intsony aza izahay sy Balesa, dia mbola tsy afaka tamin’ny fisotroana aho fa vao maika aza niboboka. Fa niady mantsy izahay sy Balesa ary niafara tamin’ny faharavan’ny fihavanana ny adinay. 31- Talata 15 jolay 1969, IV lah 3959 Indray andro, raha namonjy tsena aho dia nifanena tamin’ilay Rahasinoro, izay efa nanombotomboka ahy ho nangalatra zanak’omby. Toa tsy kisendrasendra no nifanenana fa niniana nandrasana tao am-bavahadin- tsena mihitsy aho, ka nony nandalo dia novazavazainy. - Lehilahy tsy valahara! Hoy izy. Lehilahy mandoto tanàna. Asa ihany izay tsy mbola handroahan’ny fanjakana azy. Raha misy ny jiolahy dia ny tahaka itony no tena farahidiny! Nanentsi-tsofina aho fa tsy te-hifamaly, kanefa nony nahita ahy nangina izy, dia vao mainka koa nanompa sy nanozona, hany ka nisondrotra ny ràko nony farany. Nilazako izy hangina, fa raha tsy izany dia hataoko mahita raharaha. Nihiaka tamin’izay ilay Rahasinoro. - Hanky va re, hoy izy. Jereo ry ambanivohitra fa ny mamo indray no miantso polisy! Vetivety foana dia nitangorona ny olona ary latsaka tao afovoana aho ka tsy nisy azoko natao afa-tsy ny nihenjana. - Inona no ilanao ady amiko ramatoa? hoy aho. Inona no antony hanompanao ahy? - Aza mora taitra Andriamatoa, hoy izy, fa aleo ny vahoaka no hitsara. - Lazao izay ho lazainao, hoy aho, fa ny ompa no ajanony. Tsy matahotra ny ho tsarain’ny olona aho akory! Rahefa nivazavaza teo ilay Rahasinoro, dia nitantara izao atsanga tsy aman’orana rehetra izao. Ary ny tena nolazainy dia hoe: izaho mampisotro toaka sy manimba an’i Balesa ary lotoiko Pendo ka izany no isehoako mikarakara azy! Raha zavatra hafa no nolazainy dia angamba ho lefitro ihany, fa tsy tsindriko intsony mihitsy ny foko nahare ny fanosoram-potaka nataony tamiko. - Olona tsy vanona ianao, hoy aho, sady nofelahiko ny tehamaina izy, ka lavo nianjera tamin’ny tany. Vao mainka koa niantsoantso tahaka ny adala Rahasinoro. - Io rey olona fa mamono vehivavy! hoy izy. Tena jiolahy sy mpamono olona fa sambory! Ary tsy hitahitako akory tokoa, dia nisy nibeda ahy avy tany aorinako tany. Nakifiko izay nitana ahy, nefa tsy afako fa totohondry no reko niantefa tany amin’ny fihirifako tany, ka fanina nandraingiraingy aho. Toy ny avy lavitra be ny nandrenesako ny antsoantso nanao hoe: - Ataovy amin’ny fanaovana azy è! Tapero mihitsy ny ainy è! Nahiratro ny masoko hijery izay namely ahy, nefa tsy nahatazana na inona na inona aho fa ny ranomasoko no avy hatrany dia nigororona. Tsy ranomaso noho ny fahatairana izay nahazo ahy akory fa ranomason- katezerana. Fa nivonto nila hitresaka mihitsy ny foko, nieritreritra ny fihetsiky ny olona. 32-Alarobia 16 jolay 1969, IV lah 3960

XL Izaho voatomboka sy nohosoram-potaka indray no nahazo loza! Lainga be tahaka ny tendrombohitra no nolazain-dRahasinoro nefa dia ninoany! Nanezaka hiteny aho, nefa nifamatotra ny lelako, ary tsy nifandrenesana rahateo ny antsoantson’ny manodidina. Farany dia tafavoaka tao afovoan’ny olona ihany aho, fa nosarihin’ny polisim-bohitra ary dia voatery niakatra tany amin’ny birao izahay sy Rahasinoro ka mbola narahin’olona marobe. Tsy iza fa ilay sefo kantao ihany no nandray anay tao ary tao amin’ny birao koa Ingahy Rainijery. Nivanika ratsy ery izy nahita. - Ahoana indray moa izao nanangana tabataba izao ry Andriamatoa Rajaonary? hoy ilay sefo kantao. Tsy mbola nisokatra akory ny vavako dia tsy tratra efa nitsatsaingoka Rahasinoro. - Io ianao, tompokolahy, hoy izy, nanatrikatrika ilay sefo kantao. Mpanao fanjakana ianao, ka ianao no mahalala ny marina sy ny tsy marina. Asa izay fiheveranao na ahoana na ahoana, fa izaho vaviantitra ity ka sahin’ilay Rajaonary io vonoina. Raha tsy nisy ny olona teo an-tsena nisakana azy dia angamba ho notaperiny mihitsy ny aiko! - Marina ve izany? hoy ilay sefo kantao, nibanjina ahy. - Izaho koa mba mihevitra fa olona tokony hahalala ny marina sy ny hitsiny ianao, ka dia anao ny mitsara, hoy aho. - Ny fanontaniako no valio, hoy ilay sefo kantao, ka aza ahodinkodina ny resaka. - Ka tsy manan-kambara izy tsinona, hoy Rahasinoro, nihetaketaka. Hitam-poko, fantam-pirenena fa izy no nampisotro toaka an’i Balesa marain-tsy hariva, ka inona indray no ho lazainy eo? Fantam- poko, fantam-pirenena ny antony hiompiany mangina an’i Pendo, ka inona no havaliny eo. Nikoaka aho. Fa naharikoriko ahy tanteraka ny nahare izay nolazain-dRahasinoro sy ny fomba nilazany azy. - Be loatra tokoa lehitsy ny toaka nosotroin’ialahy ry Jaonary! hoy Rainijery, nitokelaka. Aty anaty biraom-panjakana avy ialahy no mitady handoa! Tsy hitako intsony izay holazaina sy hatao fa toy ny tany amin’ny toerana mahatsiravina, tsy noheritreretiko hatrizay no nisy ahy, ary nangovitra nihararetra ny tenako manontolo, toy ny azon’ny tazo mahery. - Mahazo mandeha ianareo, hoy ilay sefo kantao, fa hanao famotorana aho ary dia ho hitanareo eo ihany ny tohiny. 33 Alakamisy 17 jolay 1969, IV lah 3961 - May toy ny nodoran’ny afo aho hiverina tato an-trano, nefa tsy sahiko ny niseho ho maika nandalo ireo olona marobe nitangorona nanodidina ny birao; koa dia ny nandeha niadana no nataoko, nizaka ny antsoantso nampanarahin-dRahasinoro, nolazainy fa tsy hamelany aho raha tsy mandray ny valin’asako. Vao tonga tato an-trano aho, dia indreo efa samy teto Pendo sy Balesa, nanjokaiky toy ny nivoaham-paty. Ny tavoahangin-toaka aloha no novonjeko. Nosotroiko indray migodana ny iray vera. Vetivety foana dia tsaroako ho natanjaka ny saiko sy ny vatako: - Fa maninona ireto ianareo, hoy aho, no manjoretra tahaka izao? - Malahelo an’i Dadatoa izahay, hoy Pendo, nifendrofendro nitomany. Nahoana no ataon’ny olona toy ireny Dadatoa nefa tsy maninona tsy maninona azy? - Adala ianao ry Pendo! hoy aho. Afaka hanao ahy ireny? Hitanao fa izaho izao nody soa aman-tsara izao. Ny varintsika no mandehana atokony, ary ataovy isam-bary Balesa. - Tsy maninona hoe? hoy Pendo. Jereo fa misy mivonto ny handrin’i Dadatoa io! Nosafoiko ny handriko ka nisy nivonto tokoa… Menan’ny hatezerana aho ka nihidy ny vazako. Noraisiko ny palitaoko sy ny satroko: - Hataoko mahita ahy ireny anio, hoy aho. Saingy mijery ahy mandefitra sy manara-dalàna mantsy izy ka dia manararaotra! Anio no hahalalany izay tena marina momba ahy. - Aoka ry Ddatoa! hoy Pendo, namikitra tamin’ny patalohako. Dadatoa irery, ary izy be dia be, ka ho fatiny Dadatoa fa tsy haharesy azy akory. Aoka aloha aho ho lehibe vao miady aminy isika. Tsy tanako ny hehiko nahare an’i Pendo! - Rahoviana anefa izato ianao no ho lehibe? hoy aho. - Tsy ho ela fa ho hitan’i Dadatoa, hoy izy, mba nihomehy koa, na dia mbola nanganohano aza, nahita ahy nihomehy. Ary tsy te hanome halahelo azy aho, ka nalako ny satroko sy ny palitaoko: - Eny ary, hoy aho, fa tsy handeha aho, ary mandehana aloha karakarao ny sakafontsika. - Tena tsy handeha mihitsy ve Dadatoa? hoy izy. - Ianao ve adala, hoy aho. Tsy handeha aho rahefa nilaza fa tsy handeha. Ny tenako anefa no tsy nandeha, ary ny vavako no nihomehy, fa tao anatiko kosa dia tsaroako ho niredareda ka nadoro ahy tahaka ny afo ny fitiavana hamaly faty noho ny fahavoazana tsy an- drariny.Noraisiko ny tavoahangy, dia namely kely indray aho, ary notolorako koa Balesa, nefa nandà.

XLI 34 Zoma 18 jolay 1969, IV lah 3962 - Fa nahoana no tsy hamely ise? hoy aho. Misy tsy metimety angaha? - Misy tsy metimety, hoy Balesa, saingy tsy ny vatana no voa fa ny saina. - Ka izany indrindra no tokony hamelezan’ise, hoy aho. Ary ataoko ity ise ihany no nanoro ahy fa ity no sady fanafodin’ny sorisory sy ny ahiahy no fampitomboana ny hafaliana. Izaho izao misy tsy metimety koa ny saiko no mahatonga ahy hamely. Tsy mety anefa Balesa na dia nandrisika azy ery aho. - Tsy maninona, hoy aho, fa hasiko aloha ny anjaran’ise anio, ary rahampitso ise manarina izay tsy vitan’ise androany. Notohizako ihany ny vazivazy kanefa zara raha nitsiky Balesa fa niondrikondrika fotsiny. - Fa inona marina no mahavoa an’ise ity? hoy aho. Ny toaka tsy sotroina, ary amin’izay manjonitra toy ny nivoaham-paty. - Te hilaza amin’ise izay mahazo ahy indrindra aho, hoy Balesa, saingy mafy amiko ny milaza izany. - Tena niova tokoa ise ry Balesa! hoy aho. Inona no nifanafenantsika roa lahy hatramin’izay, na dia izay miafina indrindra aza. - Ka mikasika antsika roa lahy mantsy ilay resaka tiako hatao, hoy izy, ka izany no mampiahotra ahy. Niova ny hevitro ka omeo toaka kely ihany indray aho. - Izany ahay! hoy aho. Ary lazao amin’izay izay manahirana an’ise, dia holazaiko amin’ise koa izay mahazo ahy, indrindra taorian’ny fisehoan-javatra androany. Ary eo isika mitady izay handaminana azy. - Te hivalo amin’ise aho ry Jaona, hoy izy, nametraka ny verany fa tsy nisotro akory. Te hangataka famelana amin’ise aho, fa manaikitra ahy ny eritreritro, kanefa…kanefa… - Tena mahazendana ahy ity mahita an’ise, hoy aho. Ary tsy takatry ny saiko mihitsy izay ratsy mety ho nataon’ise tamiko ka tadiavin’ise hifonana. Sotroy aloha ity toaka, raha mbola tsy tapa-kevitra hiresaka ise, fa rahampitso mifampidinidinika. Notaperiny indray migoka koa ny verany dia nitodika ahy izy. - Manjary mangidy mbamin’ny toaka ry ise! hoy izy. Tsy ho andriko izany rahampitso izany fa aleoko izao ihany dia vakina ny resaka na ho inona na ho inona fiafarany. - Izay tian’ise,hoy aho, fa izaho tsy maika akory. Isika hihaona marain-tsy hariva ihany. - Iza no mahalala raha mbola hihaona isika, hoy Balesa. - Fa inona ihany izao ry ise, hoy aho.Lazao fa manjary tsy mahatsindry aho, amin’ny fomba firesak’ise. 35 Sabotsy 19 jolay 1969, IV lah 3963 - Aoka tokoa ho lazaiko, hoy izy. Ny amintsika roa lahy no fototry ny resaka. Ny amiko angamba no tena marina. Te hangataka famelana amin’ise aho fa ratsy loatra ny nataoko tamin’ise, nosolokoiko hatramin’ny fitokisan’ise ahy tanteraka. Kanefa hamela ahy ve ise? Ary dia nitantara tokoa Balesa, ka toy ny novakiam-baratra aho nihaino izay notantarainy. - Nisaroro sy namitaka an’ise aho, hatramin’izao, hoy izy, ka azoko lazaina ho namadika ny fitiavana sy ny fitokian’ise. Azoko lazaina koa fa raha misy ny fitrangan-javatra androany dia anisan’ny nahatonga izany aho. Tsy iza anefa no nahatonga ahy ho sakaiza manody fa Ingahy Rainijery. Nisambo-bola taminy aho, nanorenako toerana fanamboarana sarety sy bisikilety. Tsy nandeha anefa ny raharaha, fa vitsy ny nampanao asa, ary izay nampanao indray dia nisy ny tsy nandoa vola. Tsy voalohako tery ny volan-dRainijery, ka voatery nandeha tany an-kafa aho hikaroka izay hahafahako manefa ny trosako, nefa tsy hitako izay lalana. Ny manefy no asa manavanana ahy, nefa asa tany no hitako, ary izay indray tsy nisy asa naharitra fa karazan’asa vonjimaika foana no hitako na karama zara raha mahavelona no azoko. Farany, rahefa tsy hitako ihany izay hahitako vola, dia niverina teto an-tanàna aho, ka nibaboka tamin-dRainijery fa tsy ho voaveriko ny trosany. Rahefa nandevilevy sy nandrahona ahy Rainijery dia nilaza fa azony atao ny mifanamboatra amiko raha tiako.Tsy nandalindalina aho fa nanaiky avy hatrany, satria efa voafatony. Ny hitsikilo an’ise no nampanaoviny ahy, ary tsy vitan’ny hoe nampanginina ny fitakiana ny trosany tamiko fa izaho indray koa aza no mbola nomeny vola ho vidin-kasasarana sy hampiasaiko amin’izay heveriko ho mahamety azy, hifankahazoako bebe kokoa amin’ise. Ary dia izany no nahatonga ny fikasokasohana be tamin’ise, niarahako nisotro toaka tamin’ise. - Ary dia inona no lazain’ise tany aminy, hoy aho? - Nolazaiko azy daholo na ireo olona mpakety amin’ise fa miombon’asa amin’ise, na ireo nisambo- bola, na ireo nitantara zavatra samihafa na ireo nila torohevitra, ary dia hatramin’izay zava- madinika toy ny boky famakin’ise sy ny sakafonareo.

XLII - Tena olona tsy vanona raha ise, hoy aho, tafatsangana nentanin’ny hatezerana. Kanefa mbola nanohy ihany Balesa. - Tsy ny hitako ihany no notantaraiko, hoy izy, fa mbola namorona aza aho, satria natahotra an- dRainijery. Izaho no nilaza fa ompin’ise Pendo mba… 36-TSY HITA

37- TSY HITA 38- Alarobia 23 jolay 1969,IV lah3966 Tsaroako fa nila alkaola ny tenako, hanala ny faharerahako, kanefa tapitra ny tato an-trano, ary tsy sahiko ny haniraka indray an’i Pendo, satria efa tsy tiany ny hisotroako nikohakohaka teto am-pandriana aho, mbetika nangatsiaka nangovitra, nabesitra nafana, tera-tsemboka. Nanandrana nitsangana, kanefa nangozohozo tsy nahazaka ahy ny tongotro. Ren’i Pendo angaha ny fikofokofoko, ka tonga izy nanontany ahy sy nanolotra ravimboafotsy mahamay. Toy ny azoazoko kely ny aiko rahefa namely an’iny, nefa tsy naharitra akory dia niverina indray ny fahavoazana. Kinanjo ka azoko ihany ny “fanafody” notadiaviko! Fa tonga ilay mpitondra ny aotomobilina mpakety Ambohitraivo, izay matetika fanirako hividy toaka any Antananarivo. - Hay! nanavy rangahy, ka hitako tsy tonga tery amin’ny fotoana, hoy izy. Ireto nentiko ireto ny zavatra nohafaranao. Tsy tsaroako intsony tokoa fa hay aho nampitondra vola azy hividianana toaka. Tsy nahasaotra azy akory aho fa avy hatrany dia nosamboriko ny tavoahangy iray teny an-tanany, dia nampidiniko ny eran’ ny vera ary nataoko indray migoka. Asa na maika loatra aho na efa reraka fa konfona ka nitrosontrosona nila ho afak’aina. Nony nitsahatra anefa ny kohoko, dia tahaka ny olona tsy naninon-tsy naninona ny tenako. Nisinda ho azy tsy nisy tsaroako, na ny fangirifirian’ny vatako na ny famolivolin’ny saiko. - Soa ihany fa tonga aho! Hoy ilay mpitondra aotomobilina. Hay! tena nila fanafody rangahy. Izay aho vao nisaotra azy. Ary mbola nomeko ariary dimy amboniny izy ho kadoany, ary nasaiko nipetraka hifandom-bera kely. Velona ny resaka fa efa nahazoazo aina aho. - Ka inona avy no vaovao? hoy aho. - Tsy misy inona , hoy izy, fa ny eto no maresaka. Fatratra izany nafitsokareo sy Balesa izany. - Fa inona no nafitsokay? hoy aho, hendratra ambony ihany. - Toa hoe dimy litatra, hono nolaninareo roa lahy indray andro, hoy ilay mpitondra aotomobilina. - Dimy litatra ve tsy kely, hoy aho, fa angamba sivy na folo izy izay. Nihomehy aho niteny izany fa nanindry ny fisamboaravoarana nahazo ahy. - Raha marina izany dia tena fatratra! hoy izy. Fa saingy ny nataonareo avy eo no tsy mety. Aiza ka hiady nony lany izay niraisana nefa ny ifalifaliana no isotroana an’izy ity. 39- Alakamisy 24 jolay 1969; IV lah 3969 VII- RANDRIA SY RAZOZEFA Hitako fa nisy tian’ilay ranamana ho lazaina saingy tsy sahy nivaky avy hatrany izy, ka nampirisihiko hiteny. - Ka tsy hita anie tsinona, hoy aho. - Na izany aza tafahoatra, hoy izy. Tsy ny adinareo ihany no tafahoatra fa ny anton’ny niadianareo koa no tena tsy mety. - Angaha fantatr’ingahy izay niadianay? hoy aho. - Efa alina aho vao tonga fa nisy fahasimbana ny aotomobilina, hoy izy. Kanefa hatry ny alina nahatongavako ka hatramin’izao maraina izao dia tsy misy afa-tsy ny aminareo no resaka ka aiza no tsy ho fantatro. - Ka iza ary amin-drangahy no manana ny marina? hoy aho. - Samy diso ianareo roa lahy, hoy izy. Fa raha noho ny raharaham-bola, ohatra na noho ny hevitra tsy mitovy no hiadiana dia angamba tsy maninona. Fa raha ny amin’i Pendo izay mbola azo lazaina ho voatavo tsy mifandraka no hiadianareo, dia tena…Inona akory no fantany amin’izay hoe fitiavana na fanambadiana? Marina rangahy tsy… Tahaka ny notobahana rano mahamay, narahina rano mangatsiaka aho, ka sady tsemboka no nihararetra. - Inona hoe? hoy aho nila tsy hahaloa-peo. Avereno hoe ny teninao fa tsy dia mazava amiko loatra. - Eny, hoy izy, fa izany mihitsy no tsy nahatsindriako raha tsy nankety, sady nisy ireto zavatra nampividianao rahateo moa tsy maintsy nateriko ety. Raha ny marina dia tsy tokony izaho no hananatra anao, satria angamba tsy mahalala izay antsasaky ny fantatrao akory aho, no mba manana ny kilemako koa. Kanefa moa…

XLIII Ary dia nitantara ilay mpitondra aotomobilina fa mahoraka eran’ny tanàna ny adinay sy Balesa sy ny namonoako azy, noho izy nitady haka an’i Pendo, kanefa efa nokolokoloiko ho vady, hono, Pendo. Ary dia nivoady, hono, aho fa tsy maintsy tapitro ny ain’i Balesa, ka mihevitra ny hitsoa-ponenana izy. Nisy nilaza koa, hono, fa ny nahatapitra ny fananako dia nanakaramako mpimasy sy mpanao fanafody mba tsy hialan’i Pendo tato amiko. - Ny sasany indray mitantara fa mifangaro raharaham-bola ny adinareo sy Balesa? hoy ilay saofera. - Aoka izay, rangahy ity, fa madilo ny sofiko, hoy aho nanapaka ny teniny. Ary dia mino izany habobo rehetra izany ve ianao? - Betsaka loatra ny feo mandeha, hoy izy, ka tsy hita intsony izay hinoana. - Dia mino izany ianao,hoy aho, fa nahalany toaka dimy litatra tokoa izahay sy Balesa, kanefa na rano mangatsiaka dimy litatra aza ve dia ho lany. Dia mino ve ianao fa ny hanaovako fanahy maloto amin’i Pendo no itazonako azy eto amiko, fa tsy noho ny mahakamboty azy? 40_ Zoma 25 jolay 1969, IV lah 3968 - Ny hita aloha dia misotro ianareo, hoy izy, tahaka ny ahitana an’i Pendo mitoetra eto aminao. - Niakatra ambony tokoa ny fahatezerako, kanefa notsindriako satria hitako fa nisy nilana ilay rangahy. - Aza dia minomino foana rangahy hoy aho nitsikitsiky , fa mety hahitan- doza anie ny tsaho! Ary etsy ange ianao, iza moa no nampiely izany feo lazainao izany? - Betsaka ny miresaka, hoy izy, ka tsy hitako izay hilazana aminao hoe ry Ranona na ry Ranona. -Hono , hoy aho nody naka mora, tsy Rahasinoro ve no miresaka any an- tanana any? -Anisany izy hoy izy. - Ary ingahy Rainijery? -Anisany koa izy , hoy izy.

Ary i Balesa? - An, an , toa tsy dia miteny izy, hoy izy Nampidiniko toaka kely indray ilay mpitondra aotomobilina vao nothizako ihany ny resaka. - Lalina ry ingahy ity, ny fahaizan’ny olona mamoromoron- javatra.hoy aho .Sady izay indray zava- dratsy handontoana ny hafa no foroniny. - Ka tsy azo ferana tsinona ny vavan’ olona, hoy izy. Rahefa madio ny eritreritry ny tena dia ampy izay; - Madio ny eritreritro ,hoy aho. Ary moa mba mino ny teniko ianao fa tsy misy marina izany filazana aelin’ ny olona tahaka an- dRahasinoro momba izany? - Te- hino anao aho, hoy izy,satria mba efa ela ihany koa no nahalalako anao. Fa saingy be loatra koa ny feo mandeha ka manjary mahatonga ahy hahatsiaro an’ ilay fiteny hoe “ ao raha” - Raha ny fisotroan- toaka dia ekeko, hoy aho , fa ankoatran’ izay dia sahy miozona aho, fa tsy misy marina izay nolazaina momba ahy sy Pendo ary Balesa. Angamba ho renao koa irony feo milaza ahy ho mampikomy ny olona amin’ny fanjakana irony. Tsy marina koa ireny, fa dia iniana atao hamelezana ahy fotsiny; - Raha ny amin’ izany dia fantapantatro ihany ny antony hoy izy. - Ary anio ihany, fa tsy hiandrasako ela akory , hoy aho, dia asehoko aminao ny porofon’ny tsy mahamarina ny zavatra lazaina momba ahy. Andeha hiaraka isika. - Nitsangana aho ary tsy tsaroko no nangozohozo intsony ny tongotro. - Aiza no halehantsika , hoy ilay mpitondra aotomobilina - Andeha fa ho hitanao , hoy aho. Somary niahotrahotra ihany izy, nefa hitako fa liana te hahita izay hataoko koa, ka nanaraka moramora. Tsy hankaiza fa ny hankeny amin’ ilay sefo kantao no nitarihako azy, saingy tsy nolozaiko. Tsy vitsy ny olona nifanena taminay teny an- dalana ary tao ny gagagaga ka nahavatra nijanona, ary tao koa ny mody tsy nahita fa nitodika, 41-Sabotsy 26 jolay 1969, IV lah 3969 Tsy nisy norarahiako anefa ireny fa ny hanatanteraka ny hevitro no hany tao an – tsaiko , ka tahaka ny tsy nandia- tany aho teny am – pandehanana. Ny sekreteran’ ilay sefo kantao no tao amin’ny birao fa izy tsy hitako. - Aiza ingahy lehibe ? Hoy aho - Nisy raharaha nalehany, kanefa angamba efa hiverina ihany izy izay, hoy ilay sekretera; - Tsy hahandry azy aho fa maika, hoy aho, ka raisinao ny fitoriako. Toriko Rahasinoro, toriko Rainijery fa manila baraka ahy. -fitoriana hoe? hoy ilay sekretera Aleo ihany angamba ianao miandry azy fa raharaha hafa izany.

XLIV - Fa inona no mahasekretera anao, hoy aho, no tsy afaka handray izay fangatahan’ olona ianao? Sa mila kabaka tahaka ny mahazatra anareo ianareo vao hanao ny raharaha? - Tandremo ny vavanao rangahy ity ? hoy izy. - Ianao no mitandrema , hoy aho amin’ny tsy fetezanao hianao ny raharaha tokony hataonao satria andraisanao karama.Nikakakaka nihomehy ilay sekretera namaly ahy. - Raha olona hafa angamba no nampitahotra ahy, hoy izy, dia nety ho natahotra ihany aho… fa ianao jiolahy indray ve no mba handrahona ahy! Ianao fatritran’ olona io no mba hitory ny olona manan- kaja tahaka an- dry Ingahy Rainijery ! Tena mbola mamo rangahy ity ka mirediredy! - Na mamo aza aho lehity tsy toakan’ialahy no nosotroiko , hoy aho. - Aza mifanao ialahy ! hoy izy nanarona ahy. - Miesora ialahy! Hoy aho fa tsy ilaiko hanatona ahy, sady nanonjoko izy ka nidona tamin’ny latabatra , ary niparitaka daholo ny taratasy; - Fa mihevitra an’ ialahy ho iza marina ialahy ity? hoy izy sady nobedainy aho. Handeha isika roalahy hifampitana any an- tokotany fa biraom- panjakana ity. - Tsy mahafaka ahy eto ialahy, hoy aho namihina azy koa , Rahefa nifandrirotra teo izahay roa lahy dia niara- lavo nony farany. Nisahotaka ny eran’ny trano fa hay efa niditra daholo ny manan- draharaha sy ny mpijorojoro teny anilan’ny birao. Raha ny marina dia angamba tsy tokony ho naresy ilay sekretera aho, kanefa nitombo avo roa heny , raha kely , ny tanjako nentanin’ny fahatezerako sy ny toaka. Tafarina aho dia nobataiko teo amin’ ny valahany ilay ranamana ka handeha tatotoko tamin’ny tany; Kanjo nisy nitana ahy ka tsy afaka aho. 42- Alatsinainy 28 jolay 1969, IV lah 3970 Avelao aho fa matiko ity! hoy aho. - Fa inona izao? Hoy ny feo maherin’ny sefo kantao. Ary nihatakataka daholo ny olona nahita azy tonga. -Ha ! Ingahy Rajaonary indray izany ! hoy izy, nibanjina ahy. - Eny, izaho ity! hoy aho , mba nivandravandra azy koa . Izaho ity tonga hitady sy marina .- Amin’ny fananganana korontana sy famonoana olona ve? Hoy izy -Tsy izaho no nanomboka fa ihetitsy , hoy aho , nanondro ilay sekretera. -Na iza na iza no nanomboka , dia tanako aloha ianao fa izao tratrako izao , hoy izy; - Tano fa tsy raharahako, hoy aho. Fa iny namakivaky ireo olona nivory teo Ingahy Rainijery dia nijaridina teo anoloako, dia nivanivany. -Ialahy ihany indray ity ry Jaonary! hoy izy. Fa inona marina no tadiavin’ ialahy no mankahatra ny tsy tokony hankaharina , ary maninana ny tsy tokony haninana, -Ianao no tena tadiaviko , hoy aho. Ela nanaovana ianao ka tsy hamelako intsony anio. Hitory anao no nahatongavako eto. - Hitory ahy hoe? Hoy izy, nitsamboatra toy ny nokaikerin’ny maingoka .Izaho ve no ho torian’ ialahy? -Ianao dia ianao? Hoy aho. Fa nofetsenao aho tamin’ny nividiananao ny taniko, ary iny anefa tsy raharahako fa ny hadalako no nahavoazanao ahy. Fa nanaovanao tetika maloto aho hanalam- baraka ahy eo amin’ ny tany ama- monina , ary izay no tsy azoko ekena ka dia hifankahita isika; - Tena mbola mamo ilehity ka mirediredy , hoy Rainijery - Na mamo aho na tsy mamo tsy anao izany, hoy aho, fa tanako ny fitoriako anao. -Taiza aho no nanala baraka an’ ialahy ,hoy Rainijery.Tandremo ny vava ry Jaonary sao ialahy indray no ataoko mahita loza. - Tsy miteniteny foana aho fa manana porofo sy vavolombelona matoa sahy miteny. Nitakoritsika sy nihetsiketsika be ihany ny olona naheno ny fifamalianay. Ary dia nasain’ ilay sefo kantao nivoaka izy rehetra. - Tsy ilaina hanampy trotraka ny korontana eto an – trano ianareo, hoy izy , ka mandehana mandeha daholo. Samia mody an- tranony; Nandeha ireo olona, nefa nijanona tao an-tokotany ihany ny ankamaroany ka re hatrany amin’ny birao ny fisamoniny. - Mijanona kely kosa angaha ianao ry Ingahy Rainijery, hoy ilay sefo kantao. - Na tsy tazoninao aza aho, dia vonona ny hijanona mihitsy hifampitana amin’ilehio, hoy Rainijery. - Izaho koa saiky hangataka rahateo ny hijanonanao, hoy aho. 43 – talata 29 jolay 1969, IV lah 3971 - Ento ary izato teninao, ry Ingahy Rajaonary, hoy ilay sefo kantao. Ahoana sy ahoana no anton’izao korontana izao? - Efa nolazaiko anao, hoy aho fa tsy avy tamiko ny korontana fa io sekreteranao io no nihantsy ahy.

XLV

Tonga teto aho hametraka fitoriana nefa teny an’avona fotsiny no nataony tamiko, ary nampiany karazan’ompa indray aza. Raha nisy fahadisoako namely azy dia ny fahadisoany no bebe kokoa nihantsy ahy. - Izany ihany ve no fanazavanao? - Izay ihany, hoy aho. Vonona aho hizaka izay vokatry ny nataoko. - Ho hitantsika any aoriana, hoy izy, fa fitoriana inona ange izany asainao hatao izany? - Fitoriana an’Ingahy Rainijery, hoy aho. Fitoriana azy ho nanala baraka ahy. - Ahoana sy ahoana koa ny amin’izany? hoy ilay sefo kantao. - Na ianao aza dia inoiko fa nahare ireo feo maro samihafa momba ahy, hoy aho. Filazana ahy ho mihinam-bolan’olona, filazana ahy ho mpanao tokan-tranomaso amin’ny zaza tsy mbola ampy taona, sy ny zavatra hafa koa. - Tsaratsara kokoa, hoy ilay sefo kantao, raha ataonao an-tsoratra, hoy aho, nefa dia lazaiko aminao am- bava ny foto-javatra, ary dia efa tondroiko aminao koa ny vavolombelona, dia ilay Rangahy mpitondra aotomobilina mankany Antananarivo. Tony dia tony ilay sefo kantao ka nitony koa aho. Fa ingahy Rainijery no nihoalahoala nony nahare ahy nanondro ilay vavolombelona. - Gaby ve no mba ataon’ialahy vavolombelona? hoy izy. Iza akory no hino izay saofera! Ary iza akory no mahalala raha toa ka efa nosisihin’ialahy vola tany izy? - Izay teninao izay fotsiny dia efa itanako anao, hoy aho. Lazainao fa manarama olona hanao vavolombelona sandoka aho izany? - Ento mora lehitsy! ry Jaonary, hoy izy. Fanontaniana no nataoko fa tsy filazana. Ialahy angaha no kibokiboin’ny rariny ka milaza tsy anontaniana. - Mangataka anao aho mba hiantso ilay mpitondra aotomobilina, hoy aho tamin’ilay sefo kantao. - Ampidiro tokoa ho henoina, hoy Rainijery. Nantsoin’ny sefo kantao ilay mpitondra aotomobilina fa “samy mitady azy ianareo mianaka”, hoy izy. - Avereno hoe lehiroa izany nolazain’ialahy an’i Jaonary izany, hoy Rainijery taminy. 44- Alarobia 30 jolay 1969, IV lah 3972 - Tsy anjaranao ny mampiteny azy, fa ahy, na farafaharatsiny an’Inghy Sefo, hoy aho. - Ampiteneno ary ho henoina, hoy Rainijery. - Nampanantena anao ny marina aho ka izany no nitondrako anao hankety, hoy aho, tamin’ilay saofera. Avereno eto anatrehan’ny mpanao fanjakana izay nolazainao hahitantsika na sahy hitana izay nolazainy momba ahy, Ingahy Rainijery na tsia. Tsy niteny tsy nivolana anefa ilay mpitondra aotomobilina fa ny satro-boriny foana no nopolipolesiny. Tsy tsindriko intsony ny fihotakotahako ka izaho no niteny. - Moa tsy Ingahy Rainijery, hoy aho, no tena anisan’ireo milaza sy mampiely ny resaka samihafa momba ahy? Tsy mbola namely ihany ilay sakaiza. - Torak’izany koa ry Rahasinoro, hoy indray aho, kanefa ny an’Ingahy Rainijery aloha no tiako haverinao, hahitantsika ny tena marina. - Valio izany teny izany, hoy ilay sefo kantao. - Tsy hitako loatra izay ho lazaina, hoy ilay mpitondra aotomobilina. Resadresaka tetsy sy teroa fotsiny no henoko ary mba naveriko tamin’Ingahy Rajaonnary raha sendra nihaona izahay. Tsy dia misy inona akory fa resadresaka tahaka izany fotsiny. - Tsaho sy habobo ve lehitsy ry Jaonary no handanian’ialahy andro anay eto! Hoy Rainijery. Noraisiko teo amin’ny sorony anankiroa ilay mpitondra aotomobilina dia nahotsokotsoko. - O! rangahy ity! hoy aho, vao tsy nisy toy inona akory izay no nilazanao tamiko fa io Rainijery io no lehiben’ny mpampiely resaka momba ahy, ka dia ho lavinao sahady! Nilaza ny alahelonao ahy ianao, kanefa avelanao hihandrona amiko ny fotaky ny faharatsiana! Lazao ny marina! Milelaka ny faladianao aho! - Aza teren’ialahy izy hilaza izay hanamarinan’ialahy tena fotsiny, hoy Rainijery. - Ianao no mampitahotra azy, hoy aho, ka manjary hialany amin’ny marina. Vao niditra fotsiny izy dia efa nobetrohinao, ka aiza! - Ka raha tsy zazakely izy io ka hety hampitahoriko, hoy Rainijery. - Lazao raha nahita na nahare an’Ingahy Rainijery nilaza zavatra momba an’Ingahy Rajaonary ianao, hoy ilay sefo kantao.

XLVI Tsy namaly ilay mpitondra aotomobilina fa niondrika fotsiny. Nikakakaka nihomehy Rainijery, izaho kosa nigogogogo nitomany tahaka ny zazakely, fa tsy tsindriko ny fihetseham-poko. Fa nanantena dia nanantena aho hampipoka mitalakotrokotroka ny marina, ary rahefa mipoaka ny marina dia hampihanjahanja ny an’Ingahy Rainijery, ary raha mihanjahanja izy dia ho tapitra hatreo ny fahafahany hanao asa ratsy. 45- Alakamisy 31 jolay 1969, IV lah 3973 - Kinanjo ka rava ho azy vetivety teo ny fanantenako! Tahaka ny babangoana ny fahatsapako ny rehetra manodidina ahy. Ary tsy hitako akory ny nivoahan-dRainijery fa efa niteny tany an-tokotany izy vao reko ny feony. - Mampalahelo lehiretsy Jaonary fa lasa adala! hoy izy, tamin’ireo olona mbola vory tao an-tokotany. - Marina ve? hoy ny mpanontany. - Tena izany mihitsy, hoy Rainijery. Ao izy mitomany ao! hoy izy. Henoy ange fa mety ho renareo, fa sanatria tahaka ny amboa mitomany valala! Raha ny tena marina dia tokony ho nisafoaka aho, nahare ny fiampangana ratsy ahy indray, kanefa tsy nahahetsika tsy nahateny intsony fa nalemilemy fotsiny teo am-pitoerana teo. - Henoy kely aho, Andriamatoa Rajaonary, hoy ilay sefo kantao. Sarotra ity raharaha ity ka mbola ilana fandinihana fa tsy vita izao. Ary noho izany dia ho tanako eto amin’ny birao aloha ianao. - Hotananao ahoana aho? hoy aho. Angaha misy heloko na fandikan-dalàna nataoko? - Zavatra roa no azonao eritreretina, hoy izy, ary ianao no mandray izay tianao: na ho heverinao ho fanararaotako ny fahefako mba hampijaliana anao no itanako anao eto, na ho heverinao ho fiarovako anao amin’ny zavatra mety hahazo anao no tsy amelako anao handeha. Tsy nahaady hevitra intsony aho fa dia naleoko nangina. - Ato an’efitra ato angaha ianao mipetraka, hoy ilay sefo kantao. Ary dia notarihiny hankao amin’ny efitra kely anankiray toa fitahirizana taratasy sy boky tranainy aho, ary nomeny seza hipetrahana. Tsy nohidiny anefa ny varavaran’efitra: - Mety hisy olona afaka hanatitra sakafo ho anao ve? hoy izy. Tsy namaly ihany aho. Dila ny mitatao vovonana dia lasa ilay sefo kantao. Nakatony ny varavaran’ny birao, ary izaho irery no sisa tao. Reko ihany anefa fa nisy olona niasa dia nanodidina ny trano, ary azoko an-tsaina fa nasaina niambina ahy izany. Mafy ny nanjo ahy tao. Ny saiko narary nieritreritra ny zava-niseho, ny tsy nahombiazan’ny tetika ka nahatonga an-dRainijery ho vao mainka natanjaka, ary tsy izaho ihany no voa fa ireo olona mba tiako harovana koa, fa ireny ve hino na hety hanaraka ahy intsony rahefa heveriny fa tsy hahovoka aho! Ny vatako koa narary fa samy nandazo ahy ny vokatry ny eritreritro sy ny vokatry ny alkaola.

46- Zoma 01 aout 1969, IV lah 3974 - Mbetika aho mangatsiaka tahaka ny nilatsahan’ny fanala, mbetika koa nafana tera-tsemboka. Indraindray toy ny fatorana tady gigigigy ny vanintaolako, indraindray toy ny hoditro fotsiny sisa no notafiko. Raha sendra nazava kely ny saiko dia nanontany tena aho, fa sao dia marina tokoa ny filazan- dRainijery fa lasa adala aho. Tsy haiko tantaraina, ka asa na takatry ny eritreritrao, na tsia ny nahazo ahy. Izay tena tsaroako kosa dia tamin’iny fotoana iny no tena nanombohan’ny fahavoazako. Hariva, efa tsy nahalalana olona mody no tonga naka ahy tao amin’ilay efitra kely nametrahany ahy ilay sefo kantao. Ary nilaza tamiko izy handeha hody aloha fa raha misy ilany ahy dia ampiantsoiny ihany aho. Tsy tadidiko akory izay nahatongavako tato an-trano, fa efa nototofan’i Pendo bodofotsy sy nomeny ravimboafotsy mahamay aho, vao niverina tsikelikely ny saiko. Ary rahefa niverina ny saiko dia ny fanafody nahazatra ahy aloha no nangatahiko: alkaola. Ary gaga aho fa tsy niteny na nandà tahaka ny fanaony Pendo fa avy hatrany dia nanome. Na izany aza dia tsy naharitra aho fa noterem-panahy hanazava azy ihany. - Aza omenao tsiny aho, ry Pendo, raha mbola misotro, hoy aho. Tsy fidiny ahy akory izao ary aza atao mampalahelo anao. Tsy namely izy fa nanamboatra ny lamba nirakofako fotsiny no hany nataony. - Tsy nisy na inona na inona, hoy izy, fa matoria Dadatoa. Aza mihetsiketsika, na rahampitso aza fa makà aina tsara. Asa na noho ny havizanako ara-tsaina sy ara-batana, na noho ny teny mahafinaritra ahy nataon’i Pendo ka toa nandrotsirotsy ahy, fa tsy ela tokoa aho dia renoka natory.Rahefa nifoha aho ny maraina dia mbola naverin’i Pendo ny teniny. - Aza mihetsiketsika eo Dadatoa, hoy izy, fa izaho handeha hijery laoka vetivety.

XLVII - Eny, hoy aho. - Ary mbola misy kely io amin’ny tavoahangy io, hoy izy, raha sendra ka mila Dadatoa. Tsy ela tokoa dia tafaverina Pendo, nitondra izay novidiny ary nitondra olona koa niaraka taminy. Tsy iza io fa Razozefa.Ataoko fa fantatrao Razozefa, ilay katekista eto an-tanàna, izay fantatry ny rehetra. Vao niditra izy dia nandohalika tetsy an-doha-fandriako namoaka lakroa kely dia nitanisa ny “Izaho miarahaba anao Maria”. 47- Sabotsy 02 aout 1969, IV lah 3974 - Avy hatrany aho dia sorena. Fa efa tsy azoazoko noho ny fomba fiainany, izay mbola ho lazaiko anao amin’ny manaraka ity Razozefa ity no tsy nantsoiko akory dia tonga kanefa izaho tsy mbola te-hahita olon- kafa. Vita ny vavaka nataony dia nanazava izy! - Tonga ety aho, anaka, hoy izy, fa nentin’ity taizanao ity. Tonga ety hivavaka ho anareo sy ho an’ny fanahinareo. - Misaotra anao nisahirana, hoy aho, kanefa tsy dia ny fanahinay akory no marary fa ny vatana sy ny saina. Dokotera izao angaha no ilaina fa tsy katekista akory. - Diso ianao anaka, hoy izy. Ny fanahy no ambonin’ny saina sy ny vatana ka tsy maintsy karakaraina alohan’ireo. Ary matoa ity zaza ity, izay tsy tokony hieritreritra an’izany akory tonga niantso ahy dia tsy iza fa Andriamanitra no naniraka azy. - Hono , ho aho ry Pendo, hoy aho, iza moa no naniraka anao hankeny amin’Ingahy Razozefa? - Reko tamin’ny resaky ny olona, hoy Pendo, fa mahay manasitrana izy, ka izany no niantsoako azy satria manavy tsinona Dadatoa. - Ka hitanao amin’izany ry Ingahy Razozefa, hoy aho fa resaky ny olona no nampandeha an’i Pendo fa tsy antson’Andriamanitra akory. - Aza manimbazimba anaka, hoy izy, fa tsy mety. - Ianao no manimbazimba an’Andriamanitra amin’ny teninao, hoy aho. Nahoana no ampanaovina izay tsy nataony Andriamanitra? - Tsy hitady hevitra aminao aho, anaka, hoy Razozefa. Fahavoazana mpahazo antsika zanak’olombelona mantsy ny tsy maharesy ny fakam-panahy hanadikadina ny sitrapon’Andriamanitra. - Ianao ihany no nitarika ny resaka ho amin’izany, hoy aho, ka rahefa tianao hajanona dia tsy sarotiny aho akory. Omeo kely indray migoka aho ry Pendo. Ary omeo Razozefa raha hamely. - Tena fahotana no nataonao, anaka, hoy Razozefa, kanefa Andriamanitra hamela ny helokao. - Fa inona no heloko? hoy aho. - Izany indrindra no hamelana ny helokao, hoy izy, satria tsy fantatrao akory izay izay ataonao. Naka fanahy ahy ianao ary izany no fahotanao. Sosotra aho, kanefa tsy tanako ny hehiko nahare ny tenin-dRazozefa fa nikakakaka aho. Ary alohan’ny hitantarako aminao ny fitohizan’ny resakay dia aoka ho lazaiko anao ny momba azy. Mpandrafitra, hono, no niatombohany, fa izaho moa tsy nahita an’izany. Ary noho izy mpandrafitra dia nantsoin’ny Maopera matetika hiasa teny aminy nanamboatra zavatra isan-karazany ka nitohy hatrany ny fifaneraserany. Rahefa nifindra teny Soamanandrariny maopera, dia Razozefa no nanjary katekista nisolo azy. 48- Alatsinainy 04 aout 1969, IV lah 3976 Nijanona tamin’ny fandrafetana nivelomany tamin’izay izy, kanefa ra hany fahitako azy dia tsy ny fitiavany loatra ny hitory ny fivavahana no nahatonga azy hijanona tamin’ny asany Fa noho ny fitoriany ny fivavahana nanjary nahavelona azy. Fa izy no tonga mpandray sy nahazo ny fanomezana fanatitry ny olona ho an’i Maopera. Tsy vitan’izany fa nisy vehivavy mpitondra tena iray, izay tsy niteraka ka natolony ho an-dRazozefa ny fananany. Ka dia nanjary nanana nihoatra ny ampy izy, ary nitombo hatrany ny fananany, fa namidiny ny fanomezan’ny olona tsy laniny, ary nahofany ny tany sy ny trano nolovany. Tsy ny fananany harena anefa no nahasorisorena ahy taminy, sanatria, fa ny fomba nanangonany an’ireo, izay adikako tsotra ho fanambakana ny marivo salosana. Fa noho izy efa tsy niasa intsony ka nanam- potoana betsaka dia nitety tokan-trano maro, “nivavaka”, ho an’ireny tokantrano ireny ka nahazo fanomezana isan-karazany. Tao ny marary izay tena nanome betsaka azy fa hoe “sitrana noho ny fivavahana”. Ary dia mailaka dia mailaka Razozefa hananatra sy hanoro hevitra ny olona kanefa izy niadam-pinaritra fotsiny tamin’izay tsy nisasarany.Izany no tsy nahazoazoko an-dRazozefa, fa tohizako ny resaka nifanaovanay. - Nolazaiko anao ry Ingahy Razozefa, hoy aho taminy fa ny saiko no marary, ary angamba ho azonao sitranina. - Lazao anaka, hoy izy fa izany no ananana ray aman-dreny.

XLVIII - Loza ny ataon’Ingahy Rainijery amiko, hoy aho, ka izany no mankarary ahy. Raha teneninao tsy hanisy ratsy ahy izy dia angamba ho sitrana aho. - Sarotra izany anaka, hoy izy nihifikifi-doha. Sarotra satria raharahan’ny nofo fa tsy raharahan’ny fanahy. Raha misy ifanolananareo mianaka dia aoka ianareo no hifandamina fa samy nomen’Andriamanitra saina hendry ianareo. Raha ny amin’Ingahy Rainijery dia izao: mahafa-po tokoa ny ataony eo amin’ny fampandrosoana ny fiangonana, fa izy izao no vao niantoka ny antsasa- bidin’ny fanitso natafo ny eglizintsika, ary isam-bolana dia tsy tapaky ny manome fanazavana koa izy hikarakarana ireo mahantra, ny kamboty sy ny mpitondra tena. - Hay! azo vidim-bola, tahaka izany moa ny fanakosehana ny ratsy atao amin’ny hafa? hoy aho. Ary moa mba efa nofakafakainareo ny loharano niavin’ireny vola nomen’Ingahy Rainijery anareo ireny? - Hitako fa mifikitra amin’ny hevitra tokana ianao anaka, hoy Razozefa,ka manjary sarotra ny hifampidinidinihantsika. - Ianao no mifalifaly amin’izay mahasoasoa anao fotsiny fa tsy te ho voasembatsembana ny fahasahiranan’ny hafa. Nitsangana izy dia noraisiny ny satrony. 49 -Talata 05 aout 1969, IV lah 3977 - Ny hisarahantsika tokoa angamba no mety, hoy aho. Fa ianao tsy hahavonjy ahy, ary izaho tsy hanaiky ny ho lemanao loha. - Hahatsiaro anao mandrakariva amin’ny vavako aho, hoy Razozefa, nony injay izy teny am- baravarana. - Tsy misy fatiantoka ho ahy akory na ho hadinonao aza aho, hoy aho. - Dadatoa ity lahy! hoy Pendo, nony lasa Razozefa. Maninona izy no teneninao mafy tahaka iny? - Mbola ho fantatrao ny aminy any aoriana, hoy aho. Fa izao no izy, aza mitondra olona foana tahaka ireny ianao fa mierà aloha amiko. - Tsy tiako harary anie Dadatoa, ka izany no nitondrako azy! hoy Pendo. Lazain’ny olona fa mahay manasitrana izy. - Resaka fotsiny tahaka ny resaka atao amintsika izao? hoy Pendo, nitsatsaingoka. - He! He! Tsy misy fotony izany, hoy aho. Ary izao koa no hafatro! Aza miresaka betsaka amin’ilay Razozefa iny ianao. - Nomeny vatomamy sy sary kely tokoa aho, hoy Pendo, ka asainy mamangy azy rahefa tsy manao raharaha. - Aza mankeny mihitsy ianao raha tsy milaza amiko, hoy aho, ary aza mety handrairay izay vatomamy na sary omeny anao intsony. - Eny! hoy Pendo. Izaho tsy manao afa-tsy izay lazain’i Dadatoa. - Aza atao mampalahelo anao ny teniko, hoy aho, nahita azy nifendrofendro. Misy antony matoa aho miteny aminao fa tsy fitiavako hiteniteny foana anao akory. - Eny! hoy Pendo. Izaho ange tsy malahelo fa Dadatoa marary ihany no tsy tiako. Ary amin’ny sisa raha mbola te hisotro toaka ihany Dadatoa dia izaho ihany no manome fa tsy mahazo misotro amin’izao. Tsaroako ho mba nahazoako aina kely ny tenin’i Pendo, ka nitarika torimaso ho ahy, saingy torimaso tsirangaranga ka reko ihany ny fisiokan’ny rivotra tany ivelany, ary nisalisaly tao an-tsaiko ihany ny fahatsiarovana izay nahazo ahy ny omaly sy ny afak’omaly. Ny ampitso dia tsy nivoaka lavitra aho, araka ny fanaoko matetika, fa tetsy an-tokotany ihany. Teo mantsy ny faharerahako, ary tsy mbola zakako koa ny hihaona tamin’olona maro. Niavaava voninkazo teo aho nefa tsy nahavita firy akory dia lasa naka alokaloka teo ambodihazo, ary nampiady saina tamin’ireo zava-niseho sy mbola mety hiseho. 50- Alarobia 06 aout 1969, IV lah 3978 Mbola variana tao aho no nahatazana an-dRandria sy ny zanany vavikely avy nanantona. Tamin’izany fotoana izany mantsy dia mbola nisy lalan-kely tetsy atsimon-trano tetsy, izay fandehanan’ny olona, raha avy eny Soamanandrariny izy ka te hanitsy avy hatrany hihazo ny ery atsinanan-tanàna. Nafana dia nafana ny andro tamin’izay, ary samy nivongika entana izy mianaka, ka nony nahazo ny marin-tampona tandrifin’ny trano dia niato kely naka aina, saingy tsy tazany aho fa takon’ny foto-kazo. Ny tsy hifankahita tamin’olona no antony tsy nivoahako, kanefa asa fa nony nahita an-dRandria aho dia nisy nikitikitika ahy fotsiny izao tao anatiko tao hitady resaka taminy. Saiky hiantso avy hatrany aho, nefa nandrasako aloha sao hivily izy na dia hangataka rano fotsiny noho ny andro mafana aza. Kinanjo notohizany ny lalany nony avy naka aina izy ka lasa ny vavako niantso azy. - Tsy hivily ve ry Ingahy Pasy fa handalo fotsiny? hoy aho. - Hay ve Ingahy Rajaonary izany? hoy izy somary taitra. Ka manao ahoana izao ianao?

XLIX - Izao somary tsy metimety izao, hoy aho, kanefa tsy mba misy mpamangy?Tsy hiantrano ve ianareo mianaka, nefa mba misy rano mangatsiaka ihany ato ary ny andro mafana. Somary niolonolona kely Randria, nefa nony farany dia nivily ihany izy mianaka. - Marina ny anao, ary hisaorana anao ny fampiantranoana, hoy izy, fa mipoaka mihitsy izany tenda. Randria dia fantatrao ihany fa ny pasitera amin’ny fiangonana protestanta eto an-tanàna. Talohan’io niantranony teto amiko io, dia efa nihaona in-droa, in-telo ihany izahay, indrindra fa tamin’ny tsy nahazoana ny zanany farany izay matin’ny kohodavareny. Tsy nisy dokotera teto tamin’izay fa lasa tany Antananarivo tany ilay niasa teto hany ka tsy nisy mpitsabo, tsy nisy fanafody.Tonga nanantona ahy ny vadin-dRandria tamin’izay, ary tsy nisalasala aho nanome azy izay fanafody kely teto an-tanako sy ny torohevitra tamin’izay tokony natao. Efa voa mafy anefa ilay zaza ka tsy tra-bonjy intsony. - Aoka ho eto an-tokotany ihany hahazo hatsiatsiaka, hoy Randria, fa mafana any an-trano. - Tsy vitan’izany, hoy aho fa mety haharatsy laza anao koa ny hiditra any an-tranoko ka tsy mampazoto anao. - Tsy mety izany mitsara olona mialoha izany, hoy Randria. Ahoana no hiheveranao ahy avy hatrany fa tsy te ho ao an-tranonao aho? Ary moa raha eto aho tsy efa naman’ny miantrano ato aminao ihany satria tokotaninao ity? - Koa tsy menatra na matahotra ny hifandray amiko izany ianao, hoy aho. 51 – Alakamisy 07 aout 1969, IV lah 3979 - Sanatria izany, hoy izy, fa ny hifandray amin’ny hafa tsy an-kanavaka no fototr’asako, dia ny hanazava ny sainy sy… - Raha toriteny no hataonao, hoy aho nanapaka ny teniny, dia aoka ihany fa tsy dia mila izany aho. Ny vavaka nataon-dRazozefa omaly aza mbola tsy levoko. Tsapako ihany fa tsy nety ihany ny nataoko satria izaho no nanasa an-dRandria hiantrano kanefa izaho ihany indray no aviavy fiteny taminy toa nila ady. Ny sorisorin-tsaiko angaha no nanosika ahy hanorisory azy koa, nefa asa na tsy takany izany na takany fa nodiany tsy hita. Ny naka toerana teo ambony vato no nataony fa tsy namely ny teniko izy. Nantsoiko Pendo hitondra ranomboafotsy. Ary notanterahiny ara-bakiteny ny anatranatra fanaoko taminy momba ny fanajana vahiny, ka ranomboafotsy midona-tsetroka no nentiny. - Rano mangatsiaka hampangatsiatsiaka tenda no niviliana kinanjo ny mangotraka maika hahatsemboka ity no hita! hoy Randria nitsiky. - Na ahoana na ahoana kosa ve dia rano mangatsiaka no haroso anareo, hoy aho somary menatra. Sambany ianareo mianaka no mba miantrano ato aminay, ary fitiavan’i Pendo no nanaovany an’io ho anareo. - Vazivazy ny ahy, hoy Randria, ary izay voalazanao teo no tena zava-dehibe dia ny fitiavana ka isaoranay anareo. Tsy azoazoko be ihany ny nanatrika an-dRandria tony dia tony, hany ka tsy nahateny aho fa nijery azy fotsiny nitsotsoka ny ranomboafotsy. Ary dia samy nangina teo aloha izahay fa izy roa vavy ankizy no indray nifampitarika nankeny lavidavitra dia niaraka nanome hanina ny akoho. - Ka inona iky izato vaovao ry Ingahy Rajaona? hoy Randria nony kelikely. - Ianao indray ve no hanontany, hoy aho, nefa ianao no avy nandeha tany rehetra tany? - Eisy! hoy izy, inona moa no mba vaovao ety amintsika ambanivohitra, fa ny resaka mandeha no betsaka. - Ka inona avy ary izato resaka mandeha? hoy aho . Izaho mantsy izao tsy nivoaboaka izao. - Izay resaka mandeha ve ho hita ho samborina, hoy izy. - Mba misy azo raisina ihany hoy aho, na dia tsy izy rehetra aza. Ohatra izao dia inoiko fa misy resaka mandeha momba ahy, ka asa izay renao. - Hay! ve izany no tianao ho lazaina, hoy izy, nitsiky malefaka. Nahare ihany tokoa aho saingy tsy hitako loatra izay antony hitanisana azy. - Izaho kosa mba te hahare ihany izay momba ahy, hoy aho, na dia ny hahalalako ny hevitry ny olona fotsiny aza. Vao maika nitsiky Randria. 52 - Zoma 08 aout 1969, IV lah 3980 - Ny hevitro izany no tianao ho fantatra, hoy izy. Izany no nahatonga anao hanontany ahy teo sao dia menatra na hatahotra aho hiantrano eto aminao? - Tahatahaka izany, hoy aho. - Efa novaliako anie ny teninao, hoy izy. Novaliako tamin’ny teny fa tsy mampaninona ahy ary novaliako tamin’ny atao koa, satria aho hitanao eto aminao izao.

L - Marina ihany tokoa izany amin’ny ilany iray, hoy aho, saingy amin’ny ilany iray no tsy fantatra. - Izahay moa tsotso-dahy, hoy izy, ka tsy dia azoko loatra izany lazainao izany. - Misy ny olona, hoy aho, miseho ho izao sy izao amin’ny teniny sy ny ataony, kanefa hafa ny tena any am-pony! - Hay! hoy izy. Angamba mety ho marina izany, kanefa inona moa no mety hitsarana ny olona: ny teniny sy ny ataony sa ny any am-pony tsy miloaka. - Ny ahy tsy mba hamaivaniko ny eritreritra miafina, hoy aho.Efa nahavoa ahy mafy mantsy ny fitaky ny sasany tsy nampoizina, ka tonga amin’ny fitenenana hoe: efa afo nandoro ny lambako…. - Mbola mety ho marina ihany koa izany, hoy izy,saingy mba misy koa fitenenana manao hoe: izay fatra-piahiahy mpamosavy. Sady faly aho no sosotra tamin’ny famalin-dRandria. Faly fa sambany nisy olona niady hevitra tamiko tamim-pahatoniana ary tsy nanao resaka kitoatoa kanefa koa sosotra fa toa nataony tsy nahazo an-tsahalany nefa ny zavatra nandratra ahy toa tsy takany akory. Farany dia ny hasosorana ihany no be tao an-tsaiko sy tafajanona, rahefa nisaraka izahay. Fa hoy aho mantsy nanohy ny resaka taminy: - Vonto-pinoana loatra ianao ry Ingahy, hoy aho, ka tsy mahajery ny manjo ny ankapoben’olona intsony. Jereo izao ny mahazo ahy noho ny vava sy ny resaka. - Efa nolazaiko anao, hoy izy nanapaka ny teniko, fa tsy mihevitra izay resaka na vava mety hataon’olona aminao aho. Tsy atahorako ny hitsarana ahy amin’izany rahefa madio eo imason’Andriamanitra ny eritreritro. - Maika loatra ianao fa tsy izany no tiako ho lazaina, hoy aho. Fanontaniana mazava no ataoko aminao: ny fomba famalinao teo dia ahalalako fa fantatrao ny famelezana ahy tsy an-drariny, ka moa ekenao ve izany? Napetrak’i Randria ny kopy teny an-tanany ary niova ho maotina dia maotina ny endriny. - Na inona na inona no tsy mifanaraka amin’ny rariny sy ny fahamarinana dia tsy hankasitrahiko, hoy izy. - Akaito! hoy aho. Ka raha izany moa mba vonona hiara-miady amiko ho an’ny rariny sy ny fahamarinana ianao? 53 – Sabotsy 09 aout 1969; IV lah 3981 Na miaraka aminao aho na tsia, dia izany no efa nataoko hatry ny ela, hoy izy. Ho an’izany no hitoriako ny Filazantsara. - Raha ny toriteny no misy vokany, hoy aho, dia ho efa tsy nisy intsony ny pangalatra sy ny mpamono olona! Fa firy taona izay no nitoriana ny hoe “ aza mangalatra, aza mamono olona”, nefa isan’andro vaky izao mbola misy ihany ny mpangalatra sy mpamono olona! Koa tsy toriteny no ilaina fa zavatra mivantana. - Aza mitsara ahy ho variana amin’ny toriteny fotsiny ka tsy manao zavatra mivantana, ianao Rajaona, hoy izy. - Manana ny hevitro ihany aho amin’izany, hoy aho, kanefa andeha havela eo ary iny, fa ny fanontaniana no atao mazavazava kokoa indray: jereo ny fandehan-javatra eto an-tanàna, moa tsy mijaly ny ankamaroan’ny mponina, ary rahefa akaikezina, moa tsy Rainijey no fototry ny fahavoazan’ny olona? Somary nitsiky indray Randria. - Nahare zavatra ihany tokoa aho, Rajaona, hoy izy, ka hono ho aho, sao dia ny fifanolananareo manokana kosa no mahatonga anao ho vonombonona hanao zavatra hitarika ny olona? Nihidy ny vazako nahare izay nolazainy. - Aoka ho tapahina hatreo ny resaka, hoy aho. Tahaka ny avaratra sy atsimo ny eritrerintsika ka tsy mety hifandray. - Ianao koa mora misendaotra, hoy izy. Resaka no atao ka tezitra ambony ihany ianao. - Ianao ihany no nanome tsiny ahy teo, hoy aho, fa hoe mitsara anao ambony ihany, kanefa ianao izao mba mitsara ahy mialoha koa, ka lazainao fa ny raharahanay sy Rainijery manokana no mahatonga ahy hitarika anao hanao izay tsy tokony hatao. - Tsia, hoy Randria, tsy mitsara anao ambony ihany aho, fa manontany anao amim-pahatsorana hahitana ny marina, ka rahefa hita ny marina dia hita koa izay hatao. Kanefa raha nanafintohina anao ny fanontaniana dia ialako tsiny. - Mora ny miala tsiny rahefa vita ny atao, hoy aho. - Tamin’ny foko no nitenenako, hoy izy, ka asa izay fandraisanao azy, fa tsy dia mampaninona ahy akory. - Mahay mandahatra ianao fa zatra mitory teny, hoy aho.

LI - Tsy noho ny fahazarako mitory teny, hoy izy, fa noho ny fahazarako miresaka sy mifanakalo hevitra amin’olona: manjary manana faharetana aho, hihaino sy hieritreritra izay lazain’ny rehetra. - Hay! ny faharetana azonao tamin’ny fahazarana, hoy aho, no manjary tsy mampihontsona anao intsony na dia mahita sy manoloana ny zavatra tsy azo zakaina, toy ny ataon-dRainijery aza. - Diso ianao Rajaona, hoy izy. Maika loatra ianao ka manjary diso.

54 - Alatsinainy 11 aout 1969, IV lah 3982 Ny teninao ihany no raisiko, ka inona no mahadiso ahy? hoy aho. Sanatria tahaka ny amboa zatra fatorana ianareo ka tsy mieritreritra intsony izay mba hahafahan’ny tena. Na inona na inona mitranga dia zakaina fotsiny satria efa mahazatra! - Izany anie no anaovako anao hoe maika loatra ianao, hoy izy, tsy rototra akory. Manjary diso ny fandraisanao ny zavatra lazaiko. Hadinonao ny tenin’ny ntaolo manao hoe: “Maika tsy faingana toa dian’ondry”. Maika kanefa ho tonga hatraiza raha maika? - Mbola toriteny ihany izany, hoy aho, fa tsy novalianao ny fanontaniako: dia ahoana ny fijerinao an- dRainijery sy ny fiheveranaony tokony hatao aminy? - Tahaka ny fijerinao azy ihany, hoy izy. Matanjaka Rainijery, sa tsy izany? - Matanjaka izy, hoy aho, saingy tsy azo jerem-potsiny amin’ny fanaovany izay tiany atao. Matahotra azy kosa angaha ianao ka miala olana amin’ny teny tsara lahatra. Tsy niahotra akory Randria namely ahy. - Matahotra azy tokoa aho, hoy izy. Tsy mba haiko ny mandainga Rajaona ka dia tsoriko izany. - Izay vao mazava ny resaka, hoy aho. Ary satria matahotra ianao dia tsy sahy manao na inona na inona. - Mivavaka aho, hoy izy. - Kanefa tonga hatraiza ny vavaka, hoy aho. Rainijery efa tonga amin’ny hoe mpanota matevin- koditra ve no heverinao fa hiova noho ny fivavahana? - Hain’Andriamanitra ny manova ny vato ho mofo, hoy Randria. Ary tsy hoan’Ingahy Rainijery ihany no ivavahako, fa ho an’ireo mijaly noho ny ataony koa. - Satria tianao hizaka fotsiny izay tsy tokony ho zakaina izy ireny! hoy aho. Ampanantenaina ny fiadanana mandrakizay any an-danitra, ka avela hiaritra fotsiny ny fahoriana avy amin’ny ataon’ny sasany eto an-tany. - Raha tsy manana ny faharetana nolazaiko anao aho Rajaona, hoy izy dia angamba ho efa tezitra satria somary henjana izany teninao izany. Mba tiako ihany anefa ny milaza aminao fa izaho koa mba tratry ny adin-tsaina ihany. Rahefa mijery ny herin-dRainijery aho dia hitako fa noho ny fahalementsika, ary anisan’izany ny tenako, no mahatonga ny fahatanjahany. - Izaho tsy milefitra aminy sy ny mpomba azy, hoy aho, nanapaka ny teniny. Fa Randria kosa nanohy ihany izay nolazainy. - Ary izany no mahatonga ahy hivavaka mandrakariva, hoy izy, dia mivavaka ho antsika rehetra mijaly mba hahita ny lalana marina. Tsapako ihany fa tsy ampy ny mivavaka, kanefa izay aloha no hitako ka dia ataoko. - Ny ahy ny lalana hitako dia ny manao zavatra, fa tsy ny mionona fotsiny amin’ny vavaka, hoy aho. 55 – Talata 12 aout 1969; IV lah 3983 Ny hevitra tsy itovizana va hifanomezan-tsiny Rajaonary? hoy Randria.Manana izay heveriko aho ary manana izay fomba fiasako koa, saingy miasa mangina angaha ka tsy fantatrao. - Tsotra tamiko ianao ka mba tsotra aminao aho, hoy aho; tsy mihambahamba aho milaza fa manome tsiny anao. - Izaho tsy mba manome tsiny anao, hoy izy. - Ary ny hanomezako tsiny anao, hoy aho, dia satria ianao mahalala nefa tsy manao na inona na inona. Fa ny tsy mahalala moa, atao ahoana no fanome tsiny azy. Raha ny marina aza dia tsy manome tsiny aho fa manameloka mihitsy. Tahaka ny mahita olona maratra mafy, nefa mijery fotsiny mantsy ianao, ary miala olana fotsiny amin’ny fivavahana. Somary hentitrentitra noho ny teo aloha ny feon-dRandria namely ahy farany. - Aoka ho tapahina eo ny resaka, Rajaona, hoy izy? Tsy noho ny fahatezerana, sanatria fa mba hisorohana ny fifandonana mety hifandratrana. Inona anefa moa no tokony hifandratrana raha dia toa ka atao aza hoe tsy mitovy ny hevitra, satria iza no mahalala raha tahiny ka mety hisy hampifanojo ihany indray andro any.

LII

VIII- JAONA BOBOKA Nantsoin-dRandria ilay zanany dia lasa izy mianaka rahefa avy nanao veloma tsy sazosazoka. - Mahafinaritra ahy ery iny ankizy iny ry Dadatoa, hoy Pendo. Bakoly no anarany ary mahalala zavatra betsaka momba ny akoho izy, ka variana foana aho. Faly aho raha mankety matetika izy mianaka ireny, dia ianareo sy ny dadany ary izahay roa koa mba miresaka. - Tsy nahavaly an’i Pendo aho fa sinasina be ihany tahaka ny sifotra nalan-doha. Fa tamin’ny lafiny anankiray dia tsaroako ho mbola nanam-paniriana hiady hevitra tamin-dRandria aho nefa nandeha izy dia toa tsaroako fa avy amin’ny fahadisoako.

Tsy vitan’izany fa nisy lafiny faharoa koa nanameloka ny fisainako dia ny fahatsinjovako fa raha lasa Randria, dia tsy hisy hanantona ahy intsony, nefa nila olona aho na dia hanalako ny sorisoriko sy hanamparako ny fahatezerako fotsiny aza. Nisoritra teny amin’ny tarehiko angamba ny fisavoritahan-tsaina nahazo ahy ka velom-panontaniana Pendo ary nahare ny feony nangovitra aho vao taitra. - Misy maharary an’i Dadatoa angaha, hoy izy, no manao tarehy ratsy tahaka io Dadatoa? - Eny, hoy aho, tsy nihambahamba namaly azy. Misy maharary ahy anaka ato amin’ny tratrako, misy maharary ahy ato amin’ny lohako koa misy maharary ahy. 56 – Alarobia 13 aout 1969, IV lah 3984 - Ka inona no hatao ho an’i Dadatoa? hoy izy. - Aoka izao fa tsy misy hataonao, hoy aho. - Avelao hakako toaka kely vetivety, hoy izy. - Angaha tianao indray ny hisotroako? hoy aho. Sa ahoana? - Tsy dia tiako, hoy izy, fa saingy tian’i Dadatoa, ka aoka aho haka, dia amin’izay dia falifaly Dadatoa. - Mandehana ary, hoy aho, niandry izay hataony. Lasa tokoa Pendo, ary vera feno mitafotafo no nentiny niverina. Ny molony nitsiky, nefa ny masony kosa nanganohano, raha nanolotra ahy ny vera. Tsy ny masony anefa no nojereko fa ny vavany, ary noraisiko ny vera dia nataoko indray migoka. Tsy ela akory dia nisy hafanana nanenika ny tenako, nanadinoako ny nanevitevika tao amin’ny kiboko sy ny nanindrotsindrona tao amin’ny lohako. Hatreo dia ny fisotroana no ventin’ny fanafodiko, ary solon-tsakafoko aza indraindray. Pendo tsy nisakana ahy rahateo, na dia teo aza ny fomba fijeriny tsy nankasitraka. Nisotro aho, satria ny fisotroana no manamaivana ny fangirifirian’ny vatako sy ny saiko. Fa nanomboka teo koa dia nahazo anarana vaovao tamin’olona aho ka tsy Rajaonary, na Rajaona, na Jaonary, na Jaona intsony no niantsoany ahy fa i “Jaona Boboka”. Ny antony dia satria nianarako tsianjery, ka naveriko teny rehetra teny ilay poezia manao hoe: “Boboka aho”.

LIII

Boboka aho ry Tanindrazako, efa tazako mihitsy ka avela ianao ho eo! fa mirona tsy mahitsy Fa izaho sy ny hazakazako k’afaka fotoana vitsy handositra fa efa leo dia hidoboka, hikoa izato fahorianao raha ts’indray vonjena koa! sy ny fijalianao Ny zana-tohatra efa tapaka izay manjary fahoriako toy ny rihina sy rapaka. ary lamba itafiako Ny tafo izay nataon’Ikaky …Aiza ve k’izaho irery ‘Ndreo miatomboka ho vaky. sisa no hatao hijery Maina koa ny lava-bary, izato endrikao mivava Toa akaiky ny mosary; sy ny hasoanao voarava? Ny vy fahiny nampalesina Fa ny maro dia efa tola: ‘ndreo lanin’harafesina…. Ao ny lasa babom-bola 57-Alakamisy 14 aout 1969, IV lah 3985 Tao ny reraky ny tolona ho folo izao ny tanako Ka nalazo famololona namboatra anao fananako Tao reo lasana sahady fa dia tsy amboa, tsy lambo; Fa trotraky ny lazon’ady raha avy izay atambo Tao ireo tsy nahasehaka resin’horaka sy tehaka. Maninona aho raha ho faty irery Nisy matin-kenemaso hanolo-tena hanao vivery? tamin-tsiron-tsaramaso. Hafirin’iza aho? Tao ireo lavo tsy tafarina Hiari-doza be mitraho: nivaro-mora ireo marina… hianjeran’ity vovonana Ireny rehetrarehetra ireny sy ho voafingana an-tokonana? lasana, ary tsy niteny. Oh! Mihidy izao ny vazako Ary izaho irery sisa k’eo ianao ry Tanindrazako tamin’ireo an-tapitrisa Avela ianao ho potipotika! no milanja ity tolàna Avela ianao ho rotidrotika! Izay mivoana dia mivoana. Izay mianjera avela hianjera. Eny izaho samy irery Izay te hitsetra anao mitsetra! No mifofotra amin-kery Lasana aho! Veloma ianao! sady tsy tafandry mandry Izay mitranga: anao ny anao… mampijoro izato andry Nefa itsy rindrina itsy

Tsaroako ho nifanitsy tamin’ny fisehoan-javatra samihafa natrehiko mantsy ny voalazan’ilay poezia: Olona mahalala ny marina tokony hatao, olona mahafantatra ny rariny tokony harovana, kanefa resin- tahotra na resim-bola! Ny sasany amin’izay tsy manandrana akory izay tokony hatao dia miforitra ambony ihany; ny sasany mba manomboka manao zavatra ihany, kanefa vao sendra ny mafimafy dia mitambotsotra, ny hafa entin’ny hakamoana dia ity mitorovoka fotsiny,sanatria tahaka ny biby ao anaty kaka… Ary izaho! Moa tsy boboka noho ireny rehetra ireny? Mba nanezaka ihany, nanao izay noheveriko fa tandrifin’ny ahy, no sady efa nofinofiko hatry ny taloha rahateo, kanefa nialan’izay nitokiako, ka farany dia nanjary boboka koa. Nankararary ahy ny voalazan’ilay poezia, nefa toa mainka satriko hitanisa sy hametsovetso azy. Tamin’ny alina raha tsy nahita tory aho, ka nitsangana niasa dia hatreny an-tokotany dia niventy ny an-dalany. Tamin’ny atoandro raha hendretrendratry ny alkaola nosotroiko ny eritreritro dia mbola niventy azy koa aho. Ary na dia niresaka tamin’olona aza aho, satria mbola mba nisy ihany ireo nanantona ahy, toy ireo nomeko hiasa ny taniko, dia andalana avy tamin’io poezia io ihany no matetika mbola nisy navaliko azy.

LIV

- Mandehana mankeny amin-dRainijery fa izy no mpanjakanareo, hoy aho raha nisy nila hevitra tamiko.Inona no vitako izay izaho madinika kely ity? Ary dia tao koa ny nasaiko nanantona ny sefo kantao fa izy no “lehibe fanaja sy solon-dray aman-dreny” na nasaiko nankany amin’ dRazozefa sy Randria fa ireny pasitera sy maopera ireny no antoky ny “fiainan- tsambatra mandrakizay!” Tazako ihany fa nisy ny nalahelo noho ny teniko, nefa izany alahelony izany indrindra no nataoko ho fifaliana. Fa haninona no izaho irery no hijaly am-panahy fa tsy mba hisy hizaka no sady tsy avy tamiko rahateo tsinona ny fahadisoana. 58- Alatsinainy 18 aout 1969, IV lah 3986 Ireny fifaliana azoko avy tamin’ny alahelo sy sorisorin’ny sasany ireny no vao maika nampirisika ahy koa hanantona kosa ireo mpihatakataka tamiko taloha. Fantatro mantsy fa ny tahotra indrindra no tsy nahasahin’izy ireny nanantona ahy, ka mba ho fitsimbinana azy dia izaho mihitsy no ninia tsy niresaka na nihataka taminy taloha.Fa rahefa nahatsiaro ho “boboka” aho dia mba nobobohiko koa ireny.Tsindraindray mbola nankeny an-tsena ihany aho na mba nivoaboaka teny rehetra teny, koa raha sendra nisy tazako irony ilay mpandosindositra ahy ireny dia vao maika koa nohatoniko sy nilako resaka. Hafaliana moa ny ahy nahita ny tahotr’izy ireny! Ny sasany nahavatra nitsoaka tahaka ny nenjehin’omby masiaka, raha vao mahatazana ahy nanapa-dalana hanantona azy; ny sasany dia nibararaka mihitsy nifona tsy meloka tamiko: - Tahian’Andriamanitra re ianao ry Ingahy Rajaonary, hoy izy ireny. Aoka tsy hiresadresaka fa sao dia hahitan-doza. Nodiako tsy fantatra izay nolazainy fa zarako hahare azy hibararaka bebe kokoa. - Fa inona re izao nampadisadisa anao? hoy aho. - Fantatrao ihany ny fandehan-javatra, hoy ilay “infirmier” izay, fa mety hahitan-doza amin’ny lehibe anie na ny mifampiarahaba aminao fotsiny aza! - Lehilahy lehibe io ve anao dia hatahotaho-poana! hoy aho. - Izaho anie tsy dia matahotra, hoy izy fa ny vady aman-janako no hanakora ahy raha sanatria ka mahita kalaokalao eo! Lelafina ny faladianao aoka aloha tsy hifampikasokasoka isika. Ary dia finaritra ery aho mahita ireny karazan’olona ireny nihoalahoala teo am-piresahana tamiko. - Anjarako izao ny mba mampijaly anareo, hoy aho, toran’ny hehy anakampo. Asa na naharitra roa na telo volana no nanaovako toy izany, nandatsalatsako ireo tsy nanaraka ny teniko sy nampivoajamalako ireo natahotra ahy, ka nahitako fahafinaretana. Fa nony afaka izay dia tsy hitako izay natao, ankoatra ny fisotroana nitombo hatrany. Nihodinkodina teny ny eritreritro, ka ny zavatra anankiray naterak’izany, dia ny faniriako hamely an- dRainijery, hamaly faty mivantana.Tahaka ny zavatra nandalo tao an-tsaiko fotsiny ihany izany hevitra izany tamin’ny voalohany, kanjo nilentika tsikelikely tao an-dohako, ka nony farany notanterahiko. Ny hanimba ny ombiny aloha no nalehan’ny eritreritro, satria fantatro fa ny fananany omby maro no anisany nampirehareha azy. Ary nisy rahateo ny zavatra azoko nohararaotina. 59- Talata 19 aout 1969; IV lah 3987 Hatry ny fahakeliko, rahefa nidina tety ambanivohitra tety izahay mbamin-dry Dada, no nandrenesako tantara momba izany “Rainibefahitra” izany. Nanana omby marobe koa, hono, izy io, ary izany no mahavery anarana azy ka nahatonga azy hoe “Rainibefahitra”. Tsy nionona tamin’ny be nananany, hono ilay rangahy ka nanaovany an-keriny koa ny ombin’ny Vazimba izay nonina teny amoron’ala, ka lasany. Kinanjo efa nasian’ny Vazimba fanafody ireo omby ireo ka nony tonga tao am-pahitr’ilay rangahy dia nivoaka rà ho azy; tao hono no nandoa, ary maty no niafarany. Angano ihany izany, kanefa mbola tavela tao an-tsain’ny olona sasany ary firesany tany am-panetsana na teny amorom-patana. Ary dia io angano io no noraisiko hampihorohorona an-dRainijery. Tery am-pita avaratry ny tanàna tery no nisy ny fahitr’ombiny tamin’izany.Fantany mantsy ny fahatahoran’ny mponina sy ny manodidina azy ka tsy nahiny hisy sahy hangalatra ny ombiny na dia teny lavitra teny aza no nisy azy ireo. Nanamora ny tetikadiko koa izany. Efa niharatsy ny fahasalamako, ka tsindraindray dia voatery tsy maintsy nitondra tehina aho. Tamin’izay indray alina nanatanterahiko ny hevitro izay anefa dia nandeha fotsiny tamin’izao aho na dia lavitra aza ny avy eto mankeny amin’ny fahitry Rainijery, satria nisy antony. Fantatro ihany fa matory takariva ny ety ambanivohitra, ary izaho mba efa nahafantatra ny hodimirana sy ny lala-mangina samihafa ka tsy nisy nahatazana ahy mihitsy na tamin’ny diako nandroso na tamin’ny diako niverina.

LV

Niato matetika aho teny am-pandehanana fa sempotra, tsindraindray aza potraka fa tsy nahafahatra ny tongotra raha sendra tafintohina, kanefa natosiky ny fitia te hamaly faty ka nandeha foana. Torimason-jaza ny an’i Pendo ka tsy reny akory na ny nandehanako na ny niverenako. Rahefa avy naka aina kelikely aho dia nofohaziko izy: - Marary indray angaha Dadatoa? hoy ny fanontaniany avy hatrany. 60 – Alarobia 20 aout 1969, IV lah 3988 - Eny, anaka, hoy aho. Mandehana anaovy ranomboafotsy mahamay aho, ary tapohy “zavatra” kely. Fanahy iniako mihitsy ny namohazaho an’i Pendo hataoko vavolombelona any aoriana, raha misy ilana azy, nefa koa tsy dia zavatra namboarina akory ny fangatahako, fa tena trotraka marina aho nony tafaverina tato an-trano. - Ary nahoana no niandry ela Dadatoa vao namoha ahy? hoy Pendo nitondra ranomboafotsy. - Efa niantso ihany saingy tsy renao, hoy aho. - Tahaka ny nahare feon’olona niantso ahy tokoa lahy aho, hoy izy. Nataoko ho nofy anefa… Tsy ela akory dia natory soa aman-tsara aho fa sady nahazo hafanana no falifaly nahavita zavatra. Ny ampitso dia nirahiko hankeny an-tsena Pendo hividy zavatra samihafa. - Mbola misy ovy ao ry Dadatoa ka haninona indray no hividy? hoy izy. - Nahare aho fa vao nahatonga Rabary, hoy aho ka aleo manararaotra. Tsy ho simba koa tsinona iny fa ho tahirizina tsara. Ny tena antony nanirahako an’i Pendo dia ny hihaino izay resaka mandeha fa tsy ny hividy zavatra loatra. Ary izany indrindra no nasaiko nandalovany teny amin-dRabary, satria tao amin’ny trano fivarotan- drangahy io no fipetrapetrahan’ny olona maro sy fiparitahan’ny resaka. - Tsy nahita hena vaovao aho ry Dadatoa, fa kitozan-kena efa afak’omaly no ireto nentiko ireto, hoy izy raha vao tafaverina. - Fa nahoana? hoy aho. Lany sahady ve ny hena nefa tsy dia mbola atoandro tamin’iny ianao nandeha iny? - Tsy izany fa mbola tsy namono omby ry zareo, hoy izy. - Hay! hoy aho nody tsy taitra nefa efa falifaly sahady anakampo. - Angaha tsy ataon’i Dadatoa tsy loza no lazain’ny olona.Nisy izany vazimba izany, hono, tonga namosavy ny omby rehetra eto an-tanàna, ka tsy azo vonoina ho hanina ny omby, ary tsy misy afa-tsy itony kitoza itony any amin’ny mpivarotra. Inona ange izany Vazimba izany ry Dadatoa? Olona sa biby? - Olona, hoy aho. Olona fohy kely, hono, fa izaho koa mbola tsy nahita. - Ary maninona izy no ratsy fanahy tahaka izany? hoy Pendo. Izao manjary tsy mihinan-kena ny olona! - Asa, hoy aho. Ary mahagaga ahy izany hoe misy Vazimba izany hoe, satria araka ny fantatra dia efa lany tamingana izy ireny, ka isalasalana raha mbola misy taranany. - Mbola misy fa Dadatoa angaha no tsy mahalala, hoy Pendo. Fa ilay rangahy niresaka teo amin- dRabary nividianako zavatra dia nilaza fa ny masony mihitsy no nahita izany Vazimba izany. 61 – Alakamisy 21 aout 1969, IV lah 3989 Angamba marina, raha toa nisy nahita, hoy aho. Fa ny ombin’iza avy, hono, no namisaviany. - Ny omby rehetra eto an-tanàna, hono, hoy Pendo, fa saingy ny an’Ingahy Rainijery no tena voa mafy fa sady mandoa no mivoa-drà. Nolazain’ilay rangahy iray izay koa, fa toa hoe nisy dimy no maty. Nihomehy fotsiny aho nahare ny notantarain’i Pendo.Fantatro tsara mantsy ny fanitaran-javatra ataon’ny olona rahefa miresaka sy mitantara, indrindra fa ny ety ambanivohitra. Ary faly koa aho nahalala fa nahavoa ny tetiko. - Fa izao, ho’ aho no mahagaga ahy ry Dadatoa, hoy Pendo: ny an’ny olona rehetra izany marary sy maty daholo ny omby, nefa ny antsika tsy mba maninona! Sa tsy mba ratsy fanahy amintsika ny Vazimba? Nanana ombivavy nampinono tokoa mantsy izahay tamin’izany. ary taitra kely ihany aho nahare ny tenin’i Pendo fa sao dia hampieritreritra ny olona tokoa raha tsy maninona tsy maninona ny ombinay.

Ny marina dia ny an-dRainijery ihany anefa no voa fa fanitaran-dresaka fotsiny ny hoe tapitra narary ny omby rehetra tao an-tanàna, kanefa na izany aza dia niomankomana ihany aho amin’izay fanontaniana

LVI mety hitranga. Azoko ninoana mantsy fa tsy maintsy izaho no ho torian-dRainijery kanefa mba efa nivonona koa aho. Tonga ny sekreteran’ny sefo kantao, ilay nifamaly tamiko niaraka tamin’ny antilim-bohitra anankiray. Tsy nivatravatra fa nandona tamin-kamorana sy nalefadefa-piteny. - Tsy salamalama angaha izy izay ry Ingahy Rajaonary? hoy ny fanontaniany rahefa vita ny fifampiarahabana. - Nanao tsy metimety efa hatramin’ny hateloana sy hefarana, hoy aho, ka nandamaka teto am- pandriana? Izao mba efa afa-mitsangana kely ihany, saingy mampiasa ity tehina ity vao afa- mamindra. Ka inona izato anton-dia fa sambasamba ianareo mba mankety amiko? - Tsy dia misy inona akory, hoy izy, fa misy raharaha nalehanay, ka nivily nangata-drano kely fa lavitra ihany izay naleha izay, ka maina ny tenda. - Odrey! hoy aho, mandehana manao ranomboafotsy sy mangahazo haingana ry Pendo! - Aoka fa aza misahirana, hoy izy. Rano mangatsiaka dia ampy. - Veivety foana dia ho vita, hoy Pendo. Ny mangahazo vao avy nahandro aho, ary ny ravimboafotsy mbola betsaka ny ambin’ny nataoko alina ho an’i Dadatoa ka hafanaina fotsiny sisa. - Angaha mbola manavy ingahirainy alina? hoy ny sekretera. - Eny, hoy aho. Soa ihany fa manana an’i Pendo kely hikarakara. 62_ Zoma 22 aout 1969, IV lah 3990 Ary kelikely jerena izy io fa matanjaka: hatry ny alina izy izao no tsy natory fa nikarakara ahy foana nefa efa nahamasaka mangahazo sy nahadio ny trano sahady koa. Nody tsy nijery aho nefa tazako ihany izy roa lahy nifanopy maso haingana? - Hay! nanavy hatry ny alina izany rangahy! Hoy ihany koa ilay antily. - Tazo mihitsy angamba no mahazo ahy, hoy aho, fa mangovitra aho dia tsemboka, ary nony avy tsemboka dia mangovitra indray. Maraindraina teo vao mba nahazo aina kely. - Lalina tokoa izany nahazo anao izany, rangahy, hoy ilay antily. Ary nahoana moa no tsy mba manantona dokotera. - Ingahy Rajaona ve hanantona dokotera ! hoy ilay sekretera. Ary hono, ho aho, ianao toa mba mahalala zavatra ihany ka ity mba misy tiana hanontaniana anao. - Izany tokoa anie izao mampivezivezy anay izao, hoy ilay antily. Mikaroka ny marina izahay fa misy raharaha ratsy mihitsy eto an-tanàna. - Ary rehefa misy raharaha ratsy, hoy aho, dia heverinareo avy hatrany fa izaho no nanao izany. Ary dia izany izao nankanesanareo eto amiko izao fa resaka fotsiny ny hoe mitady rano kely ho sotroina. Somary nihaotrahotra aloha ilay sekretera. - Ho lazaina ve? hoy izy. - Tsory rangahy, hoy ilay antily. - Izany no marina, hoy ilay sekretera. Ary dia tsorina aminao ry Ingahy Rajaona fa nanana eritreritra kely tokoa izahay momba anao satria… - Tena olona tsy valahara ianareo, hoy aho, nody tezitra. Hitsikilo ahy no anton-dianareo, kanefa miseho ho mitady fihavanana. - Efa madio izao ny eritreritra fa aza tezitra ianao, hoy ilay sekretera. Ary araka ny voalazan- drangahy ity teo dia manjary ianao izao no hakana hevitra. Natao vinitra ery ny endriko, nefa saiky tsy tanako ny hehy tao anatiko nahita fa izaho indray no nanjary nakana hevitra. - Inona no tianareo ho fantatra? hoy aho. - Heverinao ve fa mbola misy izany Vazimba izany? Betsaka mantsy no milaza fa hoe Vazimba no nahatonga izao? - Inona sy inona anefa no zava-nitranga fa tsy fantatro mazava akory, hoy aho. Ary dia nilaza izy ireo fa misy efatra ny ombin-dRainijery no mandoa sy mivalan-dotra fotsiny, ary misy rà mitete eo amin’ny takibany, kanefa tsy fantatra izay nahatonga izany. 63 - Sabotsy 23 aout 1969, IV lah 3991 Tsy ny omby rehetra akory izany voa, hoy aho. - Tsia, hoy izy, fa ireo vitsivitsy an’Ingahy Rainijery ihany.

LVII

- Ny anontaniako an’izany mantsy,hoy aho dia sao dia olona manana kakay manokana an’Ingahy Rainijery kosa no manao izao. - Efa nandeha tamin’izany ny eritreritray… - Ka nankaty amiko! hoy aho nanapaka ny teniny. - Kanefa tsy hitanay izay hanamarinana azy. Marina fa misy dian-tongotra tokoa eny akaikin’ny fahitra, kanefa sarom-pantarina izay tompony, satria maro ny olona tonga teny te-hahita zava-baovao. - Ary raha teny ianao, hoy ilay antily, dia tsy maintsy ho hita teny ny dian’ny tehinao. - Eisy! hoy aho. Hankeo an-tokotany aza hila tsy ho tongako ka aiza moa no hankanesako eny amin’ny fahitr’i Rainijery. - Izany indrindra mantsy, hoy izy. Angamba mety hahatezitra anao ny filazako fa niahiahy anao ihany tokoa izahay, kanefa hitanay izao fa tsy ho afa-nanao izao zavatra izao ianao. - Efa nitsotra amiko ianareo, hoy aho ka mba hitsotra aminareo koa aho: raha afaka namely faty amin’ny zavatra nataon-dRainijey tamiko aho, dia ho nanao mihitsy saingy tsy afaka ary aho, ka dia eto am-pandriana fotsiny no mitsako ny valifatiko. - Ianao koa Rangahy! hoy izy. Tsy avela ho any izany fa ny hahasalama ny tena heverina. - Mafy anie, hoy aho, raha izay nataon-dRainijery tamiko izay. Kanefa marina ny teninareo fa aoka aloha ho any iny. Sambasamba ianareo ity miditra ny trano ka nahoana raha mba mamely “mafana” kely odi-vizana? - Aoka ho zokin’ny any aoriana iny, hoy ilay sekretera fa ny mangahazo sy ny ravimboafotsy ireto efa eto, ary raharaha koa moa izao no mbola atao. - Ka ahoana no mba fiheveranao an’ Ingahy Rajaona? hoy ilay antily. Mety ho olona avy eto an- tanàna na avy any amin’ny manodidina ve no nanao izao sa dia Vazimba tokoa. - Tsy hitako izay tena ho lazaina anareo, hoy aho satria tsy mahalala zavatra firy ankoatran’izao lazainareo izao aho. Raha ny amin’ny hoe Vazimba, dia efa tsy misy intsony ny fiheverako azy, fa na ny efa zokiny eto an-tanàna aza dia tsy nisy nahatratra azy ireny akory. - Angamba efa lany taranaka ny Vazimba, hoy ilay antily, fa ny “tsininy” kosa mbola misy ka izany no mety hahatonga izao zavatra izao. - Asa lahy! hoy aho. 64- Alatsinainy 25 aout 1969, IV lah 3992 Atao ihany anie ny tsy hinohino foana, hoy ilay sekretera, kanefa indraindray dia misy zavatra hafahafa ihany.Ohatra izao ilay zanak’olona telo mianadahy tery avara-tsena izay maty nifanesy tao anatin’ny herinandro, kanefa tsy narary tsy mari-koditra akory. - Tsinim-bazimba koa ve no mahatonga izany, hoy aho. - Tsy hoe tsinim-bazimba akory, hoy izy, fa araka ny fahalalana dia nanota fady ilay rainy. Fadin- drazany ny mihinana voan-kena, kanefa tsy naharitra rangahy fa nihinana raha nasain’olona, ka ny zanany no nahita loza. - Izaho tsy dia mba mino ny zavatra tahaka izany, hoy aho naka mora. Nalaim-panahy mihitsy mantsy aho handetika bebe kokoa tao an-dohany izay efa ninoiny rahateo kanefa tsy mety hanao izany ny eritreritro ka ny fandavana fotsiny no nataoko malefadefaka. - Ary ny olona eto an-tanàna koa tsy misy ahiahinao? hoy izy. - Izaho izao efa tsy mihetsika firy izao intsony, ka tsy dia fantatro izay ataon’ny olona, hoy aho. Raha ny marina aza dia Ingahy Rainijery no mety ho afaka haminany izany. Tsy nisy namaly izy roa lahy fa nikohonkohona fotsiny. Ary farany dia nanao veloma, rahefa nanafatra mba hampandre azy, raha sendra misy vaovao hitako na reko. Nampanantena aho fa tsy ho hadinoiko izy raha misy fantatro. - Tsy ireny olona ireny va no anisan’ny mpila sotasota tamin’i Dadatoa, kanefa toa tsara resaka indray ianareo, hoy Pendo nony lasa izy roa lahy. - Misy tadiaviny mantsy, hoy aho saingy diso izy fa tsy aty amiko no hahitany an’izany. - Tena mandehandeha foana tokoa izy, hoy Pendo. Dadatoa aza marary ka aiza no hanampian’i Dadatoa azy? - Ary mbola vao maika ho sahirana izy, hoy aho. Tsy nolazaiko an’i Pendo ny hafaliako fa nahavoa ny tetiko, ary nihoatra noho izay niheverako azy aza satria tsy vitan’ny afa-maina aho, fa izaho indray aza no nanjary nakan-kevitra. Ary izany dia nanosika ahy hanao zavatra hafa indray.

LVIII

Tsy Rainijery irery intsony no nasiako tamin’izay fa nampiako an’ilay saofera sy ilay mpamoaka fanafody tany amin’ny hopitaly. Antony roa no nahatonga ahy hanao izany. Rainijery tiako hihorohoro bebe kokoa, ary iretsy roa lahy moa anisan’ny nanorisory ahy tamin’ny nataony. Nandeha alina tahaka ilay nataoko tamin’ny voalohany ihany aho. Ary teny amin-dRainijery no nalehako voalohany. 65- talata 26 aout 1969, IV lah 3993 Nivovo ilay alikany atao hoe Mailaka, nefa efa nivatsy taolana aho ka vao notsipazako an’iny ilay izy dia nangina. Nosokiriko moramora ny hidin’ny tranon’ny akohony sy ny an’ny trano-kisoany dia navelako hibanabana ny varavarana, ary nilaozako. Avy teo aho dia na nankeny amin’ny hopitaly. Tsy nampanano-sarotra ahy ny niditra tao satria fantatro tsara ny fipetraky ny vavahady, izay tsy misy mpiambina akory, ary ny havan’ny marary sy ny mpiteraka koa mivoaka sy miditra mandra-pahamarain’ny andro, ka misaron-doha fotsiny dia tsy fantatra na iza iny nandalo iny na iza. Tsy nanahirana ahy koa no nitsofoka tao amin’ny efitra famoaham-panafody, izay gadana kely ihany no hidiny ka notsoahiko dia niala ary azo naverina mora foana tamin’ny toerany avy eo. Tao dia norarahako lokon-drofia mena daholo ny fanafody dia lasa moramora aho, tsy nisy nahita. Farany dia nankeo amin’ny tranon’ilay saofera aho. Nisy izay trano heva kely izay teo niankina tamin’ny tambohony, fametrahany ny kodiarana tranainy sy ny fatim-by samihafa nalany tamin’ny aotomobiliny. Tsy nisy hidiny koa io ka mora tamiko ny naka ireo zavatra tao, dia nalahadahatro eran’ny tokotany. Ny ampitso dia izaho mihitsy no niakatra teny an-tanàna ary nentiko niarakatamiko Pendo fa tsy nalefako irery intsony. Mbola mihoatra noho izay nantenaiko ihany koa ny zava-nitranga. Teny amin’ny hopitaly no nalehako mialoha satria ny haka fanafody no nataoko anton-dia nivoahako. Maraindraina tokony ho tamin’ny valo aho no tonga teny amin’ny hopitaly, ary olona maro no efa nisomebiseby teo an-tokotany. Vehivavy anankiray nitombina teo ambony kidoro aman’ondana nifanongoa no nohantoniko dia nanontaniako izay anton’izao fisomebisebena izao. - Handeha daholo izahay Andriamatoa, hoy izy, fa sao ho tapitra maty ato no ho fiafarana! - Fa nahoana? hoy aho. Angaha tsy misy dokotera hitsabo. - Lasa nanao “torine” dokotera, hoy ilay vehivavy, nefa tsy dia izany no inona fa niova ho poizina daholo ny fanafody. Ary dia nitantara izy fa niova ho mena daholo ny fanafody tao amin’ny hopitaly ka nanjary poizina mahafaty. - Iza, hoy aho, no olon-dratsy nahavanon-doza nanao izany? - Tsy olona avy eto, hoy ilay vehivavy, fa angamba “avelo” na “angatra”. 66 -Alarobia 27 aout 1969; IV lah 3994 Nahoana no ilazanao izany? hoy aho. - Raha olona no manao izany, hoy izy, dia tsy maintsy ho nisy nahita fa betsaka no nivezivezy teto amin’ny hopitaly. Ary izaho aza dia indroa no nitsangana fa voan’ny aretin-kibo nefa tsy nahita olon- dratsy na mpamosavy! Ka inona fa tsy avelo izany no nandalo. - Sao dia vazimba kosa ary? hoy aho nody tsy nihomehy. - Iza intsony no mahalala Andriamatoa, hoy izy, fa ny lalana mody no aoka hasiana olona. Iza no hiandry fahafatesana eto! Fa nijanona teo anilany koa ny tovovavy anankiray, izay bevohoka be nidanesadesaka, nahare ny resakay sy ilay ramatoa. - Ny anao no marina Rangahy, hoy izy, ary izaho koa mba hiala ato amin’ity hopitaly mandoza ity. - Ny inona no marina? hoy aho. - Tena vazimba marina no nanao an’izao, hoy izy, ary porofon’izany ireny omby narary teto an- tanàna ireny fa nasin’ny vazimba. Handeha aho fa sao simbainy koa ny zanako ato an-kiboko ato. - Oadray izany hadalan’ireto! hoy aho anakampo. Aleo hihomehezako kely. Ary dia lasa nankeo amin’ilay trano famoaham-panafody ka nangataka kininina tamin’ilay mpamoaka fanafody. Nanda anefa io ka nilaza fa tsy afaka hanome raha tsy efa tonga ny dokotera. Raha nahare izany aho dia niteny mafy nanao lela-miakatra ho ren’ny manodidina. - Herinandro aho izao nolanahin’ny tazo, hoy aho, ary nanezaka hankety na dia mangozohozo aza, kanefa tsy homena fanafody! Izaho tsy mahalala na rahoviana na rahoviana vao ho tonga dokotera! Ary raha maty aho mandra-pahatongany! Nangenahena fotsiny ilay mpamoaka fanafody fa tsy nahavaly nahita ahy tezitra sy ny olona tonga nitangorona.

LIX

- Izaho tsy manaiky fa omeo fanafody aho, hoy aho. Nangata-maso tamin’ny manodidina ilay rangahy, nefa tsy nisy niteny na nihetsika koa ny olona fa samy niandry izay hiseho. - Aoka ho tsorina ny resaka, hoy izy, nihabahaba. Tsy azoko atao ny manome na inona na inona anao satria nisy tsy mety ny fandehan’ny fanafody, ka sao mamoa-doza. Rahefa tonga dokotera dia ho fantany izay tokony hatao. - Ka inona fotsiny ny maha-tompon-toerana anao ao raha tsy fantatrao akory izay tokony hatao! hoy aho. - Tsy avy amiko ny fahadisoana, hoy izy. - Tsy miraharaha aho, hoy aho, fa fanafody no ilaiko. - Ka sao…hoy izy….. 67- Alakamisy 28 aout 1969, IV lah 3995 Raha ho fatin’ny tazo aho, na ho fatin’ny fanafody dia ho faty ihany, hoy aho, ka omeo kininina aho. Ary avy hatrany dia nidirako tao an-trano, dia noraisiko ny tavoahangy nisy kininina; naka pilina maromaro aho, dia nateliko ny anankiray. Nivanaka fotsiny ireo olona nitangorona teo ka ny sasany nitanatana vava tahaka ny nahita omby dimy tongotra, ny sasany nibanjina ahy niandry ny hahita ahy hikarapoka. - Misaotra ihany fa nahazo izay ilaiko, hoy aho, tamin’ilay mpamoaka fanafody. - Ianao ity lahy! hoy izy, nila tsy hahaloa-peo. - Fantatro ny tsy fitiavanao ahy, hoy aho, nefa tsy mampaninona akory izany. Noraisiko ny tanan’i Pendo, dia lasa izahay mianaka nanitsy nankeny an-tsena. Lalina anefa ny fandehan’ny resaka fa vao tonga teo amin’ny mpivarotra dite sy mofo izahay dia efa nahafantatra ny zava- niseho ny olona, ka tsy vitsy indray no nitangorona nanodidina anay teo, nifampibitsibitsika sy nifampanondro molotra. - Fa inona no maresaka ry ingahiroa no toa mananonanona be ihany ny olona? hoy aho tamin’ilay mpivaro-dite. - Ianao izao no ventin-dresaka, hoy izy. Fatratra ihany izany nataonao izany. - Inona no nataoko? hoy aho nody adala. - Fanafody niharo “fanafody” rangahy ka nasianao fotsiny izao! hoy izy. Ny tsy mikasika akory aza mandraiki-marary, nefa ianao ity vao maika finaritra. - Ny olona no be eritreritra fa fanafody ve hampaninona, hoy aho. Natao hanasitrana ireny fa tsy hamono akory. - Ka tsy fanafody tsotra anie fa fanafody efa nisy nanimba no nohaninao, hoy izy. Fanafody fotsy ve hanjary hivadika mena tsy… - Mahery vintana mihitsy raha ianao ity ry Ingahy Rajaonary! hoy ny tovolahy teo an- kavanako.Raha izay nahazo anao izay rangahy… kanefa izao indray resinao mbamin’ny vazimba! Tsy namely aho fa nitsikitsiky fotsiny nody menatra. Ary tamin’izay indrindra no ity tonga Rainijery, nanavatsava ireo olona nanodidina teo. - Ha! Ahoana izao ry ise ry Jaonary? hoy izy. - Izaho ihany ry Ingahilehibe, hoy aho, somary ranjola. Hendratra kely ihany ny foko nahita azy fa tsy fantatro marina izay hataony, kanefa tsy novako mihitsy ny endriko. - Misotro dite angaha izany izy? hoy izy. - Eny, hoy aho. Izao hitanao manohana aina izao fa reradreraka be ihany. - Ka ahoana ry ise no tsy mankany an-trano? hoy izy. Izay kibo an-tsena ve hahazoana aina? - Eto no hatao ho mety aloha, hoy aho. Ary ianao izany tahaka ny manaratsy ny vaotry ny hafa. - He! He! hoy izy, nivanika ratsy. 68- Zoma 29 aout 1969; IV lah 3996 Fa ny olona koa nangina daholo, ary samy nijery anay niandry izay hiseho. Tsy nisy tsy nahalala ny tsy fifankahazoanay sy Rainijery, kanefa izy indray no nangata-dresaka tamiko. - Andeha tokoa ry ise ho eny an-trano vetivety, hoy ihany izy. Sady mba misotro dite kely ise no misy resaka ataoko amin’ise. - Raha ny hisotro dite, hoy aho, dia izaho efa hitanao fa mamely izao, ary raha ny hiresaka dia tsy hitako izay tokony ho resahintsika, ka dia misaotra ihany. Nisafosafo volombava teo Rainijery, dia nisisika ihany: - Tsy misy tsiny ary raha tsy hankany an-trano ise, hoy izy. Fa andeha isika roalahy hitanila kely etsy ananona etsy fa misy zavatra tiako ho lazaina an’ise.

LX

Sady niteny izy no nosintoniny ny sisin’akanjoko ka nanaraka tsy fidiny aho. - Izao lehitsy no hitadiavako an’ialahy ry Jaonary, hoy izy, nony tafadify kely ireo olona izahay. Fantatr’ialahy izao mahazo ahy izao, ka mila hevitra amin’ialahy aho. - Izaho tsy mahalala izay mahazo anao, hoy aho. Hafiriana aho tsy nivoaboaka intsony, ary efa oviana no tsy nifaneraserako taminao. - Marina ihany izany lehitsy, hoy izy, kanefa aiza no dia tsy ho fantatr’ialahy, na dia amin’ny resaky ny olona fotsiny aza. - Ianao no mpihaino ny vavan’ny olona fa tsy izaho, hoy aho, ka tsy mahalala izany aho. Sempotsempotra Ingahy Rainijery nahare ny valinteniko ka somary novohany kely ilay kapaoty be fanaovany. - Aoka ho tsorina, hoy izy. Asa izay tsy mety nataoko fa toa misy tsy faly amiko “any ho any”, ka iharan’izao zavatra isan-karazany tsy mpahazo ny olombelona rehetra izao aho. - Iza no tsy faly aminao, hoy aho. - Tsy fantatro marina, hoy izy. Ny sasany milaza fa ny Vazimba, ny hafa milaza fa ny avelon’ny razana. Ny fantatro dia voa aho, ka izany rehetra izany no ilako hevitra amin’ialahy. - Nahavoa aho, hoy aho anankampo, ka el any ela ka azoko amin’ny sangany ity Rainijery. Somary nojereko ambony ambany izy dia nihomehezako kely: - Mba hafahafa fanontany ianao izany, hoy aho. Dia hadinonao ve ny nataonao tamiko no izaho indray no hilanao hevitra? - Aoka ny lasa lehitsy homba ny lasa! hoy izy. Na ialahy aza angamba mba nanana ny fahadisoan’ialahy koa; kanefa avelao any izany. Ny fifankatiavanay sy rain’ialahy tsarovana. Ary na nisy an’izany aza ve, dia hijery maso fotsiny ny olona voa mafy ialahy fa tsy hanana fo mangoraka? Ary izy? 69-Sabotsy 30 aout 1969, IV lah 3997 Menan’ny hatezerana aho nahare ny teniny. Izaho indray indray ve no hanontaniana fo mangoraka? Ary izy? Moa mba nanana fo nihetsika izy tamin’ny nanangonany harena ka nanosihoseny ny rariny sy ny hitsiny? - Inona avy anefa no tena mahazo anao? hoy aho. Ary dia nitantara izay mahazo azy teo izy: ny ombiny nandoa sy nivalan-drà, ny akoho amam-borona nisy namoaka. Niseho ho nifendrofendro ery izy nitantara ka nilaza fa tsy mahita tory intsony amin’ny alina fa na ny ainy aza hono hatahorany ho voantohitohina amin’ny farany. - Tena raharaha marina izany, hoy aho. Kanefa tsy fantatro na hino ny teniko ianao na tsia. - Lazao lehitsy fa hinoiko, hoy izy. Fantatro fa ialahy no mba hany fetsifetsy sy mahalala zavatra ety an-tanàna ka izany no nitadiavako an’ialahy. - Eny ary, hoy aho rahefa nody nieritreritra kely. Sarotra ihany izy ity, kanefa efa nanontany ianao ka dia ho lazaiko: misy tsy faly aminao eto an-tanàna. - Aoka lehitsy, hoy izy. Iza no tsy hanam-pahavalo raha mbola olombelona koa. - Aza tapahinao ny teniko, hoy aho. Misy tsy faly aminao eto an-tanàna; izaho tsy mahalala na iza izany na iza, fa saingy mahay noho ianao izy ka mahita lalana. - Eny lehitsy, hoy Rainijery mendimendy. - Ary rahefa nahita lalana izy, hoy aho, dia hainy ny nanaiky ny razana, hatrany amin’ny vazimba. Nisanasana tahaka ny trondro tafakatra an-tanety ny vavan-dRainijery. - Ary ahoana no ahafantaran’ialahy an’izany? hoy izy. - Manana izay hahalalako aho, ary tsy raharahanao izany fa ny tokony hataonao heverina. - Ka inona no tokony hataoko? - Manaova mihoatra noho ny nataon’ireo namely anao, hoy aho, hampitony ny fahatezeran’ny vazimba sy ny namany. - Tena marina ny an’ialahy, hoy izy, ka inona no mety? - Sarotsarotra ihany, hoy aho, nefa aina izy ity. - Raha mbola voavidin’ny vola koa lehitsy tsy maninona, hoy izy. - Izao ary, hoy aho, maka ianao omby vositra amin’izay matavy indrindra sy fotsimbary madio antsasa-bata efatra. - Hatao inona? Hoy izy. - Ento ery amin’ny zoron’ny tanàna efatra ireo, hoy aho, dia vonoy ny vositra ka…

LXI

- Ilehity miteniteny foana! hoy izy, niantsambotra tahaka ny nanitsaka bibilava. Ny hahabanky ahy angaha no tadiavin’ialahy? 70 – Alatsinainy 01 septambra 1969; IV lah 3998 Tsy izaho no mangidihidy haotraorina, hoy aho. Ianao no nitady hevitra tamiko fa tsy izaho no nangataka hiresaka taminao, ka rahefa tsy mety hatoro ianao, dia anao ny anao. Nianjona aho dia lasa nandeha. - Andraso aloha lehiroa fa mety hisy zavatra azo hifanamboarana, hoy izy. Tsy novaliako intsony ny teniny fa nandeha niverina nankeny amin’ilay mpivarotra dite aho. Ireo olona mantsy samy mbola teo fa te-hahita zavatra. Ary tamy nanantona koa Rainijery araka ny nitetehako azy. - Ka ahoana ny hevitr’ialahy? hoy izy. - Ireo ianareo rey olona, hoy aho tamin’ny manodidina, ireo ianareo hieritreritra ny amin’Ingahy Rainijery fa izaho dia tsy hitako izay hatao. Milaza fa azon’aretina izy ka samy tadiaviny hivavahana na Andriamanitra any am-piangonana na ny Vazimba any antenantenan-kavoana. Izaho no anontaniany na omby firy na firy no tokony ho vonoiny ho an’i Vazimba ary na ohatrinona no rakitra tokony harotsany any am-piangonana, hahafahan’ny aretiny. Ianareo no aoka hieritreritra na mety na tsia izany hoe sady handohalika amin’ny atsy no hiankohoka amin’ny aroa. Ianareo no aoka hieritreritra raha toa ka vitan’ny latsa-drakitra na famonoana omby fotsiny, fa tsy mba liana dokotera sy fanafody ny aretina. Nianina fotsiny tsy nahateny Rainijery nahare ny namadihako ny resaka.Ny olona nihomehimehy sy nifampibitsibitsika. Ary izaho kosa nilanja loha, naka ny lalana nody. Reko taty aoriana, fa efa lasa lavidavitra, hono aho vao nahaloa-peo Rainijery ka nisafoaka tahaka ny alika masiaka, ary nihiaka fa “laingan’i Jaonary daholo izay nolazainy teo”. Ny olona anefa na tsy nino tanteraka izay nolazaiko aza dia nisalasala, satria nampieritreritra azy ny nahita an-dRainijery. Ary izay ihany dia efa nahafinaritra ahy, fa sitrany ahay nahazo kely tamin’izay tokony ho azy aloha Rainijery malaza. Hafa noho izany kosa no niseho tamin’ilay mpitondra aotomobilina . Hariva efa maty masoandro izy no tonga teny amiko, raha teo am-pampidirana ny akoho amam-borona indrindra aho . - Niady mafy ny saiko, hoy izy, vao nahatapa-kevitra ny hankety aminao aho. Nampirisika ahy rahateo Balesa ka dia izaho izao tonga ety aminao izao. Tsy nampidiriko tato an-trano akory izy fa tetsy an-tokotany ihany no noresahako. - Raha ny mbola hividy toaka ho ahy no anton-dianao, hoy aho, dia tsy misy ilana azy satria efa nahita toeran-kafa hividianana aho. Fa na narianao aza dia nahita lalana hafa ihany. 71 -Talata 02 septambra 1969, IV lah 3999 Raha tsy tianao intsony moa ny hifangata-draharaha amiko ka hatao ahoana! hoy izy. Ary tsy izany koa ny anton-diako fa zavatra hafa. - Lazao ary fa aza be safary, hoy aho. Tsy handany fotoana aminao eto aho fa ny andro efa ho alina. Tsaroako tsara mantsy ny nialany tamiko raha mba nasaiko nilaza izay reny sy hitany teo anatrehan’ny sefo kantao izy, ary vao maika nahasosotra ahy ny nijery azy ho niseho ho naka mora. - Fanazavana tsotra ihany no nalehako ety, hoy izy, dia izao: ataoko fa ampy ny valifaty nataonao tamiko noho ny zavatra nataoko tsy araka ny sitraponao. - Ianao ity ve mamo, rangahy ity, hoy aho. Valifaty inona no nataoko taminao, ary izaho angaha mahalala izay nataonao tany no izaho no itondranao fanazavana.

- Samy lehilahy manan-tsaina isika, ry Ingahy Rajaonary, hoy izy, ka aoka tsy havilivily ny resaka. Nentinao ho vavolombelona aho, ilay indray mandeha iry, hanamarinana ny famelezana anao, ary ekeko fa tsy nitana ny teniko aho. Nomenao tsiny aho, angamba, satria tsy niaro ny marina kanefa inona no azoko natao? Hisetra rano mahery, kanefa fantatrao ny tanjak’i Rainijery, ampian’ny mpitondra favavahana sy ny sefo kantao? Tsy maninona raha omenao tsiny amin’izany aho ka hamaly bontana ianao, kanefa ataoko fa efa ampy izay efa nataonao. - Azoko ny tapany voalohany amin’izay lazainao, hoy aho, fa ny tapany faharoa tsy mazava amiko. - Aoka ry Ingahy Rajaonary, hoy izy, dia tsy ianao ve no namoaka ireo entana teny amiko? Tsy namely aho fa niandry fotsiny izay ho lazainy. - Marina fa tsy nahatratra na nahita anao ambodiomby aho, hoy izy, kanefa na izany aza dia mazava tahaka ny taratasy vita sonia ny fisehon-javatra. Tsy nisy very na tapa-by aza ireo entako,

LXII

ka noho izany tsy mpangalatra no tonga teny: tsy nikorontana koa ireo entana navoaka avy tao amin’ny trano heva, fa nalahatra eran’ny tokotany, izany hoe tsy valifaty adala no nataon’ilay nanao izany fa zavatra viakendry. - Ka dia izaho no nanao azy? hoy aho. - Niahotra ihany aho hilaza izany mivantana, hoy izy, kanefa dia izany no izy. Ary tsy izaho ihany no mihevitra izany fa i Balesa koa izay mpahalala tsara ny toetranao ary tafaresaka tamiko. Nieritreritra kely aho dia nanontany. - Andeha atao hoe marina ny voalazanao, hoy aho, ka ahoana? hitory ahy izany ianao? - Tsy manan-kevitra ny hitory aho, hoy izy. Fa ny nataonao tsy nisy fatiantoka ho ahy, ary na hatao hoe nisy izany aza, dia tsy ny fitoriana no hampilamin-javatra. 72 –Alarobia 03 septambra 1969; IV lah 4000 - Ka inona fotsiny izany no nalehanao aty? hoy aho.Hanadala olona amin’ny teny tsara lahatra sa hirehareha ho tsara fanahy? - Entim-po loatra ianao ka mitsara ambony ihany, hoy izy. Tsy izany velively no halehako aty fa hanazava fotsiny araka ny nolazaiko anao teo. Raha tahaka ahy mantsy dia mety ho lasandavitra ny zavatra toy izao. - Hay! mandrahona ahy izany ianao! hoy aho, fa tsy hitako loatra intsony izay ho lazaina - Tsy mandrahona akory aho, hoy izy. Ary tsy hitako izay ho lazaina mihoatra noho izay, fa dia anjaranao ny mieritreritra. Nieritreritra tokoa aho ny alin’iny. Tsy nohon’ny tenin’ilay saofera ihany fa nikaontikaonty koa ny totalin’ny nataoko. Nahavoa aho tamin’ny ankapobeny, satria voadona ireo nokendreko hasiana, ary tsy ireo ihany fa na ny manodidina azy aza nivarahontsana be ihany.Niteraka hafaliana ho ahy izany. Ary mampitombo koa ny eritreritro. Nanao afon-jozoro anefa ny hafaliako, ka nalaky maty. Tahaka ny fanosorana natao ho fanalana fanaintainana vetivety fotsiny no fahatsiarovako izay ho fandresena, ka na nampitony kely aza dia tsy nahafaka ny fototr’aretina akory. Ary rahefa levona ny hafalifaliana nahaverivery dia ahy, dia nifanontona tao an-tsaiko ny eritreritra samihafa. Tamin’ny voalohandohany dia ny hanao zavatra hafa hamelezana an-dry Rainijery ihany no mbola tao an- tsaiko. Nony nieritreritra anefa aho dia velom-panontaniana ihany: fa raha izany no mbola tohizako, moa tsy maika hanamaizina ny sain’ny olona, ary amin’izany dia inona no maha-samihafa ahy amin’ireo hafa manambotry ny hafa tsy ampy fahalalana? Tao koa ny mety hahatratrarana ahy raha mbola manohy ihany fa ilay saofera aza efa nahay naminany sahady. Tsy dia ny hoe higadra raha sendra voasambotra no tena nahiako, satria efa tsy noraharahiako intsony izany, fa ny tsy hahafahako manohy ny valifatiko. Tonga tao an-tsaiko ihany koa ny fanontaniana hoe: ary na tsy hisy hahalala aza izay hataoko ka ho afaka hanohy hatrany aho, dia hitondra ahy hankaiza anefa ny fiafaran’izany?Hitondra ahy hankaiza? Ary ny fanontaniana nihodinkodina tsy nahitam-baliny dia niteraka fanontaniana hafa koa: Rainijery?Nahoana no dia ahavitany zavatra tahaka izay nataony?

Olombelona izao fa tsy biby, kanefa dia tsy manana saina hieritreritra na fo hangoraka akory amin’ny fahavoazan’ny olombelona tahaka azy? Mpiasa madinika,vehivavy mpitondra tena, ankizy kamboty, no ampitondrainy faisana, hampitomboany ny hareny. 73- Alakamisy 04 septambra 1969, IV lah 4001 - Ary ny fomba fampitomboany ny hareny? Tsy mba ny harin’ny vatany na ny harin’ny sainy tamin’ny fomba madio, fa amin’ny fitaka sy lainga, hosoka ary amin-kery aza. Ny harena anefa efa nananany be dia be, ka inona indray no mbola mahamay azy? Angaha ho enti-milevina ny harena, angaha manaraka any am-paradisa na any Ambondrobe?Ka dia inona no imatesany hanan-karena, sady amin’ny fomba tsy mendrika rahateo tahaka izao? Ary ny olona koa? Nahoana no dia midera azy indray aza ny sasany ka milaza hoe “Famantsilahy raha ireny Rainijery ireny!” Ny mifofotra sy miasa amim-pahamarinana tsy misy mpidera, kanefa nony mahasoloky na mahafitaka olona Rainijery, ka mahazo tany na omby amin’ny tsy an-drariny, nony manome karama tsy araka ny tokony ho izy akory ho an’izay ampiasainy dia mahazo ny hoe: “Fatratra raha ny paikan-dRainijery!”

LXIII

Ary tsy vitan’izay nanaiky azy fotsiny ny olona fa nibaboka tsy niady akory: “Hankaiza aminy anefa e!” hoy ny sasany, tsy haharesy azy tsinona! Tany ngazana aza avadika mampiepaka tanana mba hahazoana vokatra, ka olona tahaka ny tena no ho jerem-potsiny mamely ny tena! “Matahotra tsinona!” hoy ny hafa.Inona anefa no mahatahotra? Fa tsy ao akory ny rariny sy hitsiny, tsy ao ny didy aman-dalana azo amelezana an-dRainijery na fara-faharatsiny hiarovan-tena? Hijoro ho vavolombelona fotsiny mandritra ny iray minitra dia tsy ho sahy! Aiza izany? Inona no hiafarany? Ary ny olon-tsotra indray mba leoko ihany fa ireo mahalala, ireo tokony hijoro tahaka ny sefo kantao, ry Razozefa katekista, ry Randria mpitandrina fiangonana no tena loza! Ilay sefo kantao? Natao hampihatra ny didy aman-dalana ny mpanao fanjakana, kanefa izy tokony hampanaja ny lalana indray no mandika azy! Ataony ambonin’ny lalana Rainijery. “ Matahotra an’ dRainijery tsinona izy hoy ny feon’ny sasany fa lava tanana anie Rainijery ka azony angatahina hifindra toerana mora foana, raha mananonanoana azy”_ “ Hankaiza anefa no tsy hanaiky azy, hoy indray ny hafa, efa nihinana ny mamy nomeny ka hankaiza!” Fa angaha moa tsy mpanompon’ny vahoaka tsy ankanavaka ny fonksionera satria ny volam-bahoaka tsy ankanavaka no anakaramana azy, ka nahoana no asiany tombo sy hala ny olona, ary nahoana no tsy ampianariny izay tokony ho fantany? 74- zoma 05 septambra 1969, IV lah 4002 Angaha tsy efa ny tokony ho antonony azy ny karama raisiny no mbola mitady amboniny indray izy? Hankaiza ihany no hitondrana ity vahoaka ity? Razozefa: miasa dia miasa mitory ny evanjely sy mampianatra katekista, mandany andro mitsidika tokantrano maro mampahalala ny fifankatiavana sy ny fifandeferana, mpamitrana ny fihavanana tapaka sy mpanamboatra ny tokantrano mihilangilana. Kanefa koa mikimpy velona eo anoloan’ny heloka sy ny fahotana. Mividy fanitso atao tafon’ny eglizy Rainijery, dia “avelany ny helony”. Avy aiza anefa ny vola nividianana ny fanitso natafo ny eglizy, tsy avy tamin’ny fanambakana? Mandravaka labozia sy voninkazo ny otely ny fianakavian-dRainijery dia voatonona ho isan’ny “zanak’ Andriamanitra” kanefa ny fahadisoana vitan’ireny eo amin’ny mpiara-belona aminy, mihoatra lavitra noho ny tambanivohitra izay tondroina ho tsy mahalala an’Andriamanitra. Ary izy Razozefa rahateo moa tsy matavy amin’ny ara-nofo avy amin’ny fitoriana ny ara-panahy? Vary, anana, hanin-kotrana isan- karazany no aterin’ny olona ho azy, ary tsy am-pisalasalana no andraisany an’ireny kanefa fantany izao ny hery lany nentina namokatra an’ireny. Olona mahalala ka dia manaiky fotsiny ho fiasan-dry Rainijery, ary amin’izany dia manao zavatra mifanipaka amin’ny teny toriny. Fa ahoana koa no anekena sy itokian-dry maopera an-dRazozefa? Na ny olon-tsotra aza mahalala ny tsy fetezan’ny ataony ary re fa nisy nisoko nangina nampakatra tany amin-dry maopera kanefa vao maika toa nahazo fitokiana bebe kokoa indray Razozefa. Raha tonga manao famangiana maopera dia ao amin-dry Razozefa foana no niantranoany. Razozefa no mpitarika azy manketsy sy mankeroa. Ary Razozefa no efa nentiny in-droa nankany Antananarivo. Ny ratsy ve no itokiana? Ny ratsy ve no vao maika hambinina?

75- Sabotsy 06 septambra 1969, IV lah 4003 Ny fandinihina ny Soratra Masina nampianariny fotsiny dia tokony ho nahazoany nanatsoaka lesona mba hanazavana ny sain’ny mpiara-belona. Ny fikarakarana ny fanahy anefa no nimasoany, ary toriteny lavareny no nataony . Izaho izay tsy mpamaky ny Baiboly aza mba mahalala ihany fa Jesosy aza nitarika ny mpianany ho ity vary tamin’ny andro Sabata, satria tsy ny fanahy ihany no tokony ho karakaraina fa ny nofo koa. Ary matoa novelesin’i Jesosy sy nokapohiny tamin’ny karavasy ireo mpivarotra tao an- tokotanin’ny Tempoly, dia satria tsy nekeny ny hampiasana ny raharaham-panahy hahazoana tombotsoa manokana ho an’ny tena. Koa nahoana no tsy hita izay ataony amin’ny olona tahaka an-dry Rainijery, fa ny “voka-dehibe” atolony no anereny ara-tsaina ny hafa hahazoany tombotsoa. Tsaroako fa indray mandeha dia tafaresaka tamiko ilay Ingahy Rainitavy izay, anisan’ireo mpankasitraka an-dRandria? Hoy izy tamiko tamin’izay: “ Mafy tokoa ny fiainana Rajaonary, mafy lavitra noho ny taloha, saingy soa ihany fa nisy itony ry Randria itony, izay ahitana fiononam-panahy!” Baboin-dRandria fotsiny amin’ny “fiononam-panahy” va ny fangirifirian’ny vatan’ny olona! Nahoana ny sasany izay manana amby ampy no sady hiadana ety an-tany no mbola hahazo ny lanitra koa, nefa ny hafa izay

LXIV mitady anio ny ho hanina anio, tsy hahazo afa-tsy ny fiadanana any an-koatra izay mbola vinaniana. Aiza sy mankaiza izany? Balesa indray: Nankararirary ny foko mihitsy ny nataony, fa tonga tamin’ny hoe “maharary tahaka ny kaikitry ny amboa kely tiana”. Tsy namana fe namana Balesa fa tahaka ny mpiray tam-po tamiko ary, nihoatra aza angamba, satria ny ray sy ny reny fotsiny no niraisako tamin’ireo rahalahiko sy anabaviko, fa tsy nifankahazo am-po tamiko tahaka an’i Balesa akory izy ireny. Fifankatiavana niaraka hatrany am- pahazazana ny anay roalahy: papangohazo niombonana, kanety nifampizarana, tandrimo niaraha-nanefy, ireny sy ireny no nanambatra ny fifankatiavanay roa lahy ary notohizan’ny fiaraha-mihinana ny manta sy ny masaka, ny fifampilazana ny am-po tsy miloaka, na ny hafaliana, na ny alahelo na ny ahiahy, izay nety tsy ho takatry ny hafa; indraindray tsy nilaina nolazaina akory ireny fa tapa-teny na fijery na fitsiky fotsiny aza dia nahadika azy. Kanefa nataon’i Balesa ho tahaka ny tsy nisy izany rehetra izany, noho ny fahalemeny teo anoloan’ny mena miraviravy. Zavatra kely foana dia nandravany ny fifankatiavana sarobidy nisy taminay roalahy. Tokony ho noleferiko ve izay nataony, tokony ho navelako ve ny fahadisoany? Raha ny hafa angamba no nanao dia nety ho nanakipiako maso ihany, nety ho nohadinoiko ihany. 76- Alatsinainy 08 septambra 1969, IV lah 4004 Fa raha ny akaiky ny tena no mamadika ny fifankatiavana sy ny fifampitokiana dia aiza no hizakana sy handeferana amin’izany? Kanefa indray nony nisaraka taminy aho dia nahatsiaro ho naharary sy nangirifiry lalina. Tsy hitako izay hilazana ny fahabangana nisy teo amin’ny fiainako rahefa tsy niaraka intsony izahay roa lahy. Tsy feno ka tsy mahalaza azy ny dikan’ny teny hoe “ankizy nilaozan-tsakaiza” fa hafa noho izany ny fandehan-javatra tato anatiko.Tsindraindray aho nalaim-panahy ihany hitady an’i Balesa, hifanazava taminy. Ny hambo-poko anefa nisakana ahy, fa izaho no namaky ady taminy ka sao ho lazainy ho mitady ranomandry raha mila resaka aminy. Ary na ho notsindriko aza ny hambom-poko, angaha moa ho azo antoka ny hanekeny hifanazava amiko. Ary na mbola hanaiky hifanazava aza izy ka hifanaraka izahay dia tandriko fa tsy hitovy amin’ny taloha intsony ny fihavanana, fa ho tahaka ny lamba rovitra navitrana, ka na miray aza dia miova ny endriny, ary mety tsy hateza intsony fa ho tataka indray ilay vitrana raha sendra voarirotra mafy. Fa rahefa nihodinkodina tamin’i Balesa tahaka izany ny eritreritro dia mba lasa niampita ihany koa, nahatsiaro ireo havako, ireo rahalahiko sy anabaviko. Efa nolazaiko anao fa tsy nisy fifandraisana firy taminay, eny fa na dia tamin’i Dada sy Neny aza. Toa tsy mba tena fitiavan’ny zanaka sy fanajan’ny ankizy ny ray aman-dreny no nitiavako azy mivady, fa toa araka ny fanajan’ny ankizy ny olon-dehibe fotsiny; ny antony izany dia satria tsy dia nahatsapa loatra izay fitiavany ahy aho. Toa lasa tany amin’ny zokiko lahimatoa daholo ny fitiavany, fa izaho dia tonga amin’ilay hoe “zandry olona” ka nasaina nandefindefitra tamin’ny zavatra maro. Izahay efatra mianadahy samy nanana fomba fiaina sy ny lalan- tsainy koa, ka ny trano aman-tsakafo ihany no matetika hany niraisana. Ary raha tahaka izany ny fifandraisanay mianakavy kely, dia vao maika koa maivana ny fifankahazoana tamin’ny lafin-kavana hafa. Ny hoe “mpiray fasana amintsika” fotsiny no mba nahalalako izay havan’i Dada Ary ny hoe “avy eny amintsika koa ireny” no nahafantarako ny havan’i Neny. Tsy dia nampaninona ahy loatra anefa izany fa efa nahazatra ahy hatry ny fahakely ihany. Ny fanontaniana nipetraka tamiko fotsiny dia izao: aiza ny fahamarinan’irony teny hoe “ny havana ihany no Havana”.

In-droa na in-telo aho no mba nahazo taratasy tamin’ilay anabavinay faravavy, dia izay. Indray mandeha na indroa no mba nidina tety ny zokinay lahimatoa, nilaza fa “nitondra ny ankizy hijery ny tanindrazana”, dia izay koa. 77- talata 09 septambra 1969, IV lah 4005 Tsy noraharahiny akory izay momba ahy, izay mety ho nahazo ahy, ny trano aman-tany tety moa efa lasako rahateo, araka ny efa nolazaiko anao. Marina fa tsy nanoratra tamin’izy ireny na nampita famangiana tamin-kafatra ho azy aho. Angamba fahadisoako izany. Kanefa moa tsy mba nanana fahadisoana kosa izy tsy nieritreritra ahy akory tsy nanaja ny teny fanaony hoe “ny Havana ihany no Havana, ny tsy taova tsy volovolo aza jerena, ka ny mpiray tam-po ve hojerena fotsiny?”

LXV

Fa angamba mety ho manitikitika ny sainao ihany koa ny tsy nanambadiako. Ny antony voalohany dia ny fahatofohako tamin’i Bako, ilay fofombadiko voalohany sady farany. Lehibe ny fanantenana napetrako taminy. Efa nanonofy zavatra maro samihafa ho an’ny fiainanay ho avy aho fa natoky hahasetra ny mafy noho ny fitia mifamaly, kanefa hay dia nofitahiny fotsiny! Raha sanatria ka endrika hafa no nisehoan’ny famitahany, raha noho ny fahalemen’ny nofo aman-drà dia angamba ho noleferiko ihany, satria zavatra mety hitranga ny tahaka izany. Fa ny tena nandratra ny foko dia ny fitaka teo amin’ny fitiavany, araka ny efa notantaraiko taminao tany aloha. Nataony karazan’ny filan-tsy mahita fotsiny aho, tsy misy ny tena fitiavany ahy, fa ny notadiaviny dia ny ho “hary elatra” rahefa manambady, ho “kilasin’ny olon-dehibe” ka ho afaka hanao izay danin’ny kibony, fa tsy ho voafehifehy tahaka ny ankizy mbola tezaina fotsiny. Ary teo rahateo moa ny harena izay noheveriny fa nanananay betsaka. Nandratra marina ny foko izany famitahana ahy izany, ary ela vao nanola-pery ny ratra. Fa na dia nanolatra aza ilay ratra, dia nisy antony faharoa tsy nampazoto ahy hanambady dia ny fahitako ny toetra amam-panaon’ny vehivavy.Nanomboka tamin’i Neny izany. Fa tsaroako tsara ny fomba fanodinany ny lohan’i Dada raha mba nisy zavatra marina nokasain’i Dada hatao. Vao maraina eo am- pisakafoanana dia efa ngoleny Dada ka tsy mijanona izany raha tsy ny alina. Velona daholo ny esoeso madinika arahina hehy, na fisehoana ho tezitra, na ho malahelo, ka farany dia manaiky izay heviny i Dada na dia tsy mifanaraka amin’ny eritreriny aza ilay hevitra lazain’i Neny. Tamin’izany fotoana izany aho dia mba efa velom-panontaniana anaty ihany na ny lehilahy tokoa no “lohan’ny tokan-trano”, na ny vehivavy. Fa na dia tamin’ny zava-madinika toy ny fividianana karavato na lobaka aza, dia tsy maintsy nanana izay nolazainy Neny, ary matetika dia tsy maintsy ny heviny no narahiny. Vao maika nampieritreritra ahy ny nahita ny tokan-trano sasany teto an-tanàna, fa nisy nitovitovy tamin’izany. Tamin’ny fanorotorona sy fanazavazavana nataoko mantsy dia nisy ihany ny niomana hanao fanoherana na dia an-taratasy ihany aza tamin’ny tsy ara-dalàna sy ny tsy ara-drariny. 78- Alarobia 10 septambra 1969, IV lah 4006 Kanefa ny ampitso na ny afak’ampitso dia niverina izy ireny ka nilaza fa “tsy nazoto indray ny vehivavy ka aoka aloha hijanona kely”. Raha zavatra hafa no nahazo ireny lehilahy ireny dia mbola azo niadian- kevitra ihany, fa rahefa velona ny hoe” tsy mety, na tsy mazoto ny vehivavy”, dia izay no izy fa tsy nisy laitra nakisoka intsony. Koa ny fitaka nataon’i Bako tamiko sy ny fahitako ny toetra amam-panaon’ny vehivavy, mazàna dia nitarika ahy tsy hieritreritra intsony ny fanambadiana. Tsindraindray nisy nanipitsipy hevitra tamiko, tahaka an-dRainijery (fahiny mbola tsara ny fihavananay); kanefa vao nandalo fotsiny tao an-tsaiko izany hoe fiainako ho zaraiko amim-bady dia nihorona ny hodi-dohako. Izany ka izany no eritreritra samihafa nifanontona tao an-tsaiko.

Toy izany ny fahatsiarovana ny lasa sy fijerena ny natrehina ary toy izany ny fanontaniana isan-karazany nahatery ahy hitady valiny, na andro na alina, nandinindinika sy nitsakotsako, nanezaka naka ambony sy naka ambany. Tsy hitako anefa izay vodiny sy lohany. Tsy tazako izay laniny azo nozohina.

Indraindray kivy sy namoy fo aho, ka nihevitra ny hifindra monina, kanefa na andeha ho any an-kafa aza aho, hisy hifankaiza amin’izay efa hitako sy nozakaiko hatrany Antananarivo ka hatreto Ambohitraivo moa no ho hitako any amin’izay halehako! Ny tenako koa nihaosa ka tsy ho lasan-davitra akory. Pendo indrindra koa tsy foiko nilaozana. Nivadika ho fahatezerana ny fahakiviako rahefa kelikely. Fa iza tokoa moa no nibahana ny zotom-poko, izany namely ratsy ny soa niezahako, iza no namela ahy ho irery teo amin’ny fikirizako, fa tsy ireo mpiara- belona tamiko? Nahoana no tsy takany ny hevitro, nahoana no tsy hainy ny nandika izay nataoko? Nirehitra tokoa ny hatezerako rahefa nieritreritra an’izany rehetra izany, indrindra ange fa rahefa nentanin’ny alakaola nosotroiko. Fahatsiarovan-tena nitampify no tsy nampitsotra ny tanako hamely olona indraindray! Fa ny olona koa niha-nihataka tamiko tsikelikely.Karazan’ny nitoka-monina izahay sy Pendo. Izaho rahateo miha-osa noho ny tsy fahasalamako, ka nitaninandro tetsy raha mba nivoaka ny trano, ary i Pendo indray mandeha isan-kerinandro vao niakatra teny an-tanàna nanararaotra ny tsena nividy izay nilaina. Izany ka izany ny lalana nodiaviko dokotera.Izany ka izany no zava-nahazo ahy. Asa angaha hataonao ho zavatra tsy dia manao ahoana izany ary mety ho hiomehezanao aza! Iza no mahita raha hiombon-kevitra amin-dry Rainijery sy ny namany koa ianao ka hilaza ahy ho adala! Tsy mampaninona ahy izany,fa nitantara fotsiny araka ny nangatahinao aho.

LXVI

79-Alakamisy 11septambra 1969, IV lah 4007 Asa mantsy na noho ny fahasahirananao azoko notsapaina tanana amin’ny fitsaboana ahy na noho ny fihetsika amam-piteninao tsy mitovy amin’izay fahitako, fa na dia nihevitra ny hitana ho ahy samy irery ny tantarako aza aho, dia nanjary nilaza izany taminao ihany. Ary satria efa tsy nanafina an’izany rehetra izany taminao aho dia tsy afeniko koa fa niteraka fanamaivanana kely ho an’ny fahakiviako sy ny fahatezerako ny niresahako taminao.

RAJAONARY Izay no tantaran’ilay lehilahy tsy nanadinoako an’Ambohitraivo ka naveriko taminao mpamaky. Tsy diso ny fahatsapany fa nisahiranako tokoa ny fitsaboana azy, na ny vatany izany na ny sainy, izay samy simban’ny alkaola sy ny fihetseham-po aman-tsaina isan-karazany. Tao mantsy izay tsy maintsy nitsaboako ny marary araka ny adidiko.Ary tao ny lafiny maha-olombelona fa tohina tokoa aho nahare ny tantarany, ary tohina koa nieritreritra izay hahazo an’i Pendo, raha tahiny ka manino-maninona ilay hany sisa nitokiany. Tsy zava-mora ny nitsabo an-dRangahy, satria ny aretina efa nihombo, ny fanafody teo am-pelatanana tsy ampy, ny olona sasany teo an-tanàna niseho ho tsy faly tamin’ny voalohany. Tsy kivy anefa aho fa nanao izay rehetra azoko natao, ary namoaka vola am-paosy mihitsy aza indraindray nividianana ny fanafody nilaina nefa tsy nisy tao amin’ny hopitaly na nividianana zavatra kely hamalifaliana an’i Pendo.Nivaly ny fikirizako fa nihatsara tsikelikely ny fahasalamany, na ny ara-batana na ny ara-tsaina. Tsy vitan’izany fa nitombo koa ny fifandraisany am-po tamiko, ary izany no nahatonga azy hamboraka tanteraka tamiko, ny tantarany. Fa ny nampalahelo ahy dia teo amin’izany fotoana izany no nahatongavan’ny valin’ny fangatahako hanohy ny fianarako tany Andafy, koa tsy maintsy nandeha aho, nandao an’Ambohitraivo sy Rajaonary ary Pendo. Tsy vitan’ny alahelo fotsiny ny ahy fa nifangaro ahiahy koa. Fa sao tsy hitohy ny fihatsarany efa nisy, indrindra moa fa raha miverina amin’ny fiheveran-tena ho irery izy ka hanao izay tsy tokony hataony, na dia eo amin’ny fisotroana fotsiny ihany aza. Tony dia tony anefa izy raha nilazako ny tsy maintsy handehanako. Ny nanao veloma sy ny nirary ahy hahomby amin’ny fianarako, ho tsara mandroso sy tsara miverina no hany nataony fa tsy nanao teny maro izy. 80- Zoma 12 septambra 1969, IV lah 4008 Te hahafantatra mafy izay niafina tao ambadik’izany fahatoniana izany aho, nefa tsy sahy nanontany fa sao vao maika hampisendaotra azy ny fanontaniako.

Hany heriko mba nirary soa sy fahasalamana ho azy koa. Ary ny nanampiako dia fanehoam-paniriana “mbola hihaona soa aman-tsara”, na ho ela na ho haingana”. Nofihiniko mafy ny tanany raha nilaza izany aho, hahafantarany ny tao am-poko tsy niloaka.Tsy niteny izy fa tsiky malefaka fotsiny no navaliny ahy. Enin-taona mahery kely no nijanonako tany ampitan’ny ranomasina vao niverina teto an-tanindrazako aho. Ny efa-bolana voalohany taorian’ny fiverenako dia laniko tamin’ny famantampatarana ny asa aman’andraikitra nomena ho tanako teo amin’ny raharaham-pitsaboana, ny fandaminana ny tokan- tranoko, nampian’ny fitsidihana ny Havana sy ny sakaiza ary ny fandraisana izay tonga namangy. Rahefa vitavita izany rehetra izany dia mbola nezahina ny hahalala ny zava-niseho sy ny fiovana nitranga teo amin’ny lafim-piainana samihafa, izay nisy be dia be tokoa, satria tsy tanty izany ho vahiny amin’ny tanin’ny tena. Tamin’ireny raha namohafoha sy nieritreritra ny lasa aho no nahatsiarovako an-dRajaonary sy Ambohitraivo. “Mbola ao va re izy sa sanatria efa maty? hoy ny fanontaniako anakam-po. Raha mbola velona izy, mba manao ahoana sy ahoana izay?” Nanapa-kevitra aho fa raha vao manana fotoana malaladalaka dia tsy maintsy hankeny Ambohitraivo hanontany ny momba azy. Voalaza fa misy ny tsindrimandry sy ny “telepatia”, ary misy koa ny fifanandrifian-javatra. Asa izay fandehan’izany avy. Fa herinandro katroka taorian’ny nanapahako hevitra hitady an-dRajaonary, dia ity nisy valopy iray matevina teo ambony latabatra fiasako. Nojereko ny soratra ka toa soratr’olona efa fantatro, kanjo inona tokoa, nony nosokafako ny valopy fa tsy taratasy avy tamin-dRajaonary.

LXVII

Lava dia lava ilay taratasy nefa tsy haiko lazaina ny hafaliako nahita notantarainy sy niarahaba ahy tafaverina soa aman-tsara. Betsaka anefa ny marary mbola niandry laharana ka naleoko izaho efa salama no nandefitra ka navaloko aloha ilay taratasy ary efa vita ny fizaha-marary vao namerina namaky aho. Hoy ny andalana sasany nosoratan-dRajaonary: “ Tsy maintsy mbola hifankahita ihany isika, araka ny teninao raha nifanao veloma, efa ho fito taona izao. Koa satria mbola hifankahita isika dia ity taratasy ity no navelako.” “ Izay tsy mahavaly bontana, hono, bota kibo”, hoy ny teny vazivazy fanaon’ny ankizy. Heveriko koa fa tsy mety raha “ tsy maneho fankasitrahana, na dia kely ihany aza aminao aho. Fa raha tsy nisy anao nitsabo sy nankahery ahy dia tsy hain’ny saiko takarina akory izay mety ho niafarako.” 81- Sabotsy 13 septambra 1969, IV lah 4009 “ Nihevitra ahy ho nahalala zavatra betsaka izy, kanefa hay! mbola tsy ampy dia mbola tsy ampy ny fahalalako.” ………………. “ Ny antony anakiray nampifikitra ahy tamin’ny fiainana ka nisotroako na dia ny rano tsy tiana aza dia Pendo. Teo amin’ny fisavorovoroana niteraka hatezerana ho ahy dia hadinoko izy matetika…kanefa atao ahoana no fiala amin’ny fitokiana apetraka amin’ny tena, na dia tsy misy afa-tsy olona anankiray aza matoky ny tena?” “Marina, ary inoiko fa mbola marina mandrakizao, ny antony nampitroatra ny fahatezerako raha nahita ireo fisehoan-javatra samihafa izay nanafintohina ahy aho. Ny fahadisoako kosa dia tsy fahaizako nanao famakafakana araka ny tokony ho izy fa nanaraka fotsiny ny firehatry ny foko. Raha miteny an’izany anefa aho dia tsy maintsy miaiky fa zava-tsarotra ny manindry ny fihetseham-po mba tsy hahadiso ny fomba fijery.”………………………. “ Ny fahadisoako anankiray izay atoko fa lehibe, dia ny tsy fahatsapako tanteraka ny fisian’ny fiaraha- monina sy ny fifandeferana tsy maintsy aterak’izany. Hadinoko irony ohabolan-drazana manao hoe: “ omby indray mandry tsy indray mifoha”. Fa firi-polo taona moa no “nampandriana” antsika tamin-kery, ka ho tafafoha daholo ve?…………………………. “Tsaroako irony papangohazo filalaonay sy kalesa fahiny mbola kely. Toa tahaka ny nentin’ireny no fiheverako ny tenako: tafakatra ambony, saingy tafakatra irery! Tsy nisy soa ho an’ny tena, tsy misy na dia fahafinaretana akory aza, raha ianao no misidina irery any ambony any fa ny sisa mbola mirefarefa ery am-parany ery! “ Fa saingy sarotra, ary mampangirifiry ny fiheverana ny tena ho miverina ilalana, mba hitarika ireo hafa mirefarefa ho tafara-dalana amin’ny tena.”

82- Alatsinainy 15 Septambra 1969; IV lah 4010 “ Eto Ambohitraivo ihany aho izao. Rahefa nieritreritra lalana aho mantsy dia ataoko fa hakanosana no mifindra toeran-kafa, satria tahaka ny mitsoaka eo anoloan’ny fahavalo. Tsy hitantara aminao ny andinindinin’ny nahazo ahy hatramin’izay ka hatramin’izao aho, tamin’ny fisetrana ny zavatra samihafa mbola nahazo ahy. Izao fotsiny no hilazako azy: tsy Jaonary, na Jaona, na Jaona boboka intsony no fiantsoana ahy eto Ambohitraivo fa RAJAONARY. Ary na tsy hanazava aza aho dia takatrao avy hatrany izay fonosin’izany. ………………. “Raha ny marina no ho lazaina dia mbola misy tavela ny amin’ny Jaona sy ny amin’i “Jaonary”, ary angamba koa aza ny amin’ny Jaona boboka. Fa saingy izao, efa hitako ny lalana handresen-dRajaonary azy: tsy fitiavan-kandrava fotsiny fa fitiavan-kanorina koa. Ary heveriko fa rehefa hitany ny lalana marina dia tsy sarotra aminy, na dia tsy maintsy mbola hisy aza ny zava-tsarotra maro tsy maintsy ho resena. ………………. “ Ary farany , alohan’ny hanaovako mandra-pihaona anao (satria hinoiko fa tsy maintsy mbola hifankahita isika) dia ity ny tapany faharoa amin’ilay poezia fitanisako taloha hoe: “Boboka aho ry Tanindrazako”. “ Alefako aminao io, ary antenaiko fa ho hainao ny handinika ny votoatin-kevitra eny anelanelan’ny andininy:

LXVIII

“ …Loza izato hasahiako! izao no hafatro aminao Adray, iky, ty habibiako! “Maty aho vao maty ianao”. Masiaka izato fitenenako! Fara-taharatsiny aza F’iza intsony, k’iza intsony (aza atao hoe hevi-jaza) O! ry lovako ambany no hiaraka aminao Miara-maty eto isika hizaka izao rehetra izao? miara-rava sy mivika Oh! Ianao irery sisa Fa tsy tohan’ny fisainako no hany mba hamisavisa sy tsy zakan’ny fiainako Eny ianao, ianao irery izany ianao ho“rava irery” no hizaka ireto fery tsy mba nisy mpampahery!” sy ny kaikitry ny fositra, raha lasana aho nandositra TAPITRA Fa ny andro takariva RATSIFEHERA Arsène amin’izay ho tena ziva, Ny maraina dia ho haolo Ny tanàna dia ho ntaolo Ka ny vahiny izay mandady no hanatsatoka ny kiady ity tananàko fahiny noheveriko ho afaka iny!

Tsia fa hiova hevitra aho Ka n’inona n’inona fitraho sy fandondona ho rava: hiorina eto lalandava ny fisiako manontolo na lo ianao na bobongolo.

K’avela hitsoaka izay hitsoaka! Avela hipoaka izay hipoaka! Avela hivadika ny rasa. Avela ho lasa izay ho lasa Fa matokia ianao ry taniko! Ry sampy tiako sy andrianiko, ny ahy jereo io tanako io f’homeko indray anio hanohana ny vatan-trano na dia hahitako angano! Ka raha alina ny andro F’efa dila ny masoandro Ny voloko eo ho lahinjiro ary ny aiko no amikiro mandra-piavin’ny maraina efa tsinjoko ao an-tsaina! Ary ny hamboko rehetra sy ny dinitro no fetra hanamboarako izay triatra. Raha tsy ampy ireo, ny rà tsy tsy ritra fa atosako omeko ho anao ry Fireneko… Ka na dia tokana ny tenako na voafetra ny harenako

LXIX

AVOTRY NY RAFY 1- « Jabo sy Amparasily » Zoma 08 janoary 1971 , IV lah 4403

Tanik’ orana manevokevoka, novan’ny masoandro ho vainafo ny fasika tery amoron’ kopa, ka voatery nisaika ny mpanarakandro malazon’ny taratra migaina.Toa tankina tao an- tendan’ny voronkely ny kalony manga, hany ka tsy tafavoaka teny an- tsaha intsony handrotsirotsy ny olombelona be fahoriana. Nitresa – maina ny tanimanga tery an – taninketsa, ka na ny tamanana nasian- kitro aza tsy afaka namela marika teny, tamin’ny alalan’ny dian- tongony. Namonjy tery am- pototr’ irony kininina kahidy fizara aloka irony ny mpanjono tsy nambinina. Ny masony anefa mbola sondria – mibanjina ilay bosoa malai- mihetsika ihany. Isan’ ireny mpamintana nandosiran- trondro ireny aho. Ny fahadisoam- panantenana leoko ihany fa ny nenina niara- dalana taminy no nanempotr’ahy.Hay mampilofika noho ny taratry ny masoandro ny « tampodin’ny lasa » !. Tokony ho taka toraka avy eo, indro Nirinah vadiko variana manala ranon- tsavony ny lamba nosasany.Tsinjoko ireo roatra fotsy malemy, nefa madity. Na resiny aza ny eroa an- joron- damba , mamikitra ery amin’ny tanan’ akanjony kosa ny madinika .Nony tsipalony ho nanara – maso azy miady amin’ny roatra aho, dia nezahiny hanaizan’ ako teny amin’ny manodidina ny kalo iray tsy sitrako : « Adrisa tsy tia tsimbotry ka sahy manambanambana ,tsy fantany ny ondry botry ,fa mety hitera –kambana » Niondrika aho. Nibosesika tao am- poko ny alahelo sy ny hatezerana, saingy itsy voalohany no nahazo vahana.Nikasa handevina ilay tetiarako tsy hifoha intsony aho, kanjo tsy nety niray tetika tamiko ny fanadianoana mba hikosoka ny « vita ».Farany tapa-kevitra aho hamoha ilay fotaka efa nandry, na dia hanapentina ny vanin’ androko aza ny fitosany. Indro ny tantara : Taona 1938 ! mpifaninana tany an- tsekoly izaho Rahaingo sy Ravalo.Tsy naharesy azy anefa aho, satria tsy mba safovavany tahaka ny ahy ny fiezahany fa erany.Sosotra aho,nony nihoarany, hany ka nataoko zana- tsipika itifirana azy ny eson- teny madinidinika sy ny topimaso manjolanjola.Tsiky fotsiny anefa no asetrin- dRavalo izany. Nahazo toerana tao am- pony ny « fangorahana » ka tsy afa- nanao « haody » ny fieboeboana. 2- Sabotsy 09 janoary 1971 , IV lah 4404

Fa nisy fihetsika niheverako an- dRavalo ho adala teo am- pakana ny “Première série” ( fanadinana tamin’ny andron’ny fanjanahan – tany, sahaza ny kilasy fahadimy amin’ izao andro izao).Nahazo ny laharana dimy voalohany Andriamatoa, nefa tsy nety niditra ho mpianatra dokotera , fa naleony nanoman- tena ho mpampianatra. -Inona akory izay mpampianatra ? hoy aho. Mitsidi- bohitra ireny, ankizy boretra no manao sapaoritra azy. Rahefa tsy ho dokotera ihany, tsy aleo manao ny asan’ny goverinera.Ireny manampahefana ireny: mandalo tolorana akoho; mitaky hetra , hamoriana atody; vangiana am- birao , tambazan – bolikoly. Nanandra tena ho voromahery aho, nony lasa goverinera madinika fa Ravalo kosa naetriko ho tsikirity sakaizan- davakombarika.Toy izao no sary nanamaivanako ny lanjany: zazalahy kely endaka, maimaina toa fitsa nahahy; sady iva tsanganana no resy amim- bika. Fantako, liravina lavitry ny nofon- tsandry mihotrakotraka . Sady kely vatana no kely ampombo. Keliray mitafy jiafotsy ka tafahoa- tsamy maivana. Izaho kosa tena taviny no volony, fa tsy mba taolany sy hiany tahaka azy.Tsipoapoamanga lavitry ny rofy aho.Ny bikako jaradona fenofeno toy ny fototr’ amontana eny fidasiana. Ny masoko toy ny vongan-dranomasina roa diso toerana .Ny voloko nindrana ny fanalon’ny onja ery anivon- dRasoamasay. Ny tapian – paharatsiana teo amin’ny andriko dia ny handriko mandondona toy ny vatolampy mitsinjohady,saingy resin’ny takola mavomena toy ny mananasin’ antehiroka izany. Noheveriko ho milingilingy hoatry ny tendron’i Tsiafajavona ny voninahitry ny goverinera fa iva fievotra tahaka an’ Ambohijanahary kosa ny anjaran’ny mpampianatra .Nianjonako Ravalo fa Jabo tsy soa hifanindran-dalana amiko Aparasily.

3 “Pesta namoha fonja” Alatsinainy 11 janoary 1971, IV lah 4405 Na nanatriatra ny fihavananay aza ny tenako firinga mievotra, nitady famitranana kosa ny lahatra.Samy voatendry tao Angavo, vohitra kelin’ i Vonizongo izahay roa lahy nony niasa.Izaho goverinera miriadriatra , Ravalo mpampianatra malemy paika. E! izany izaho lanjain’ny borizano mamakivaky ny tsena, rahefa mingadona ny talata.Ny setro- tsigarako mipololotra, ny soroko mandihidihy, ny lohako miandranandrana . Somary nandriniko ireo mpamboly mandadiana ka miala satroka ambany dia ambany.Eo amin’ny mpivaro- kena aho no mazana miato .Asaiko angonina ho ahy avokoa ny losony sy ny sakaizam- patsany ; Vola solo monja no atsi piko eo ambony akalana dia avelako eo Rangahy mpivarotra sy ny tahony. Indray mandeha mba nitaraina tamiko izy ka nivolana hoe: “ tsy mahatratra ny masonkarena ity tompoko!”- -Hanky va re hoy aho.Voalavo lahy sasatry ny miaina angaha ialahy no misangy volombavan- tsaka. Izaho aza tsy sarotiny ivarotan’ ialahy ankoala maty an- tatatra.Sina toy ny sifotra nalan-doha rangahy. Fantany mantsy fa

LXX tsy fanao soamaroroka ny havandra mivatravatra.Tsy nisy tsy nitsaoka ahy izay rehetra nolalovako.Izay fanajana an- dRasoherina nentin’ny voro- mahery “sové” tamin’ny palakina no tsy hitako. -Ravalo kosa indry mandeha an- tongotra, mivimbina sobiky haravola tsy fitondran’ny sidiny.Olom- bitsy no mba miarahaba azy. Kanefa mitankoritsika ny mpiantsena mahafantatra azy. Mivavaka iny tovolahy iny.Fady azy ny hanao didiko fe lehibe amin’ny entambarotr’ olona .Nahoana re no tsy iny no toloram- pahefana hitondra vahoaka e! -Malemy paika ka sao tetezin’ny olona eny an – tampon- dohany ka! - Ny fahalemilemin-dradity anie no maharesy tsy miady ny vorona, tsy azo fefena ny vavam- bahoaka. Ny mpamosavy mandeha alina aza moa tsikariny ka mainka và ny mpanitsa – pasana atoandro. Ny tohotsofi- malemy aza reny ka mainka ny bitsiky ny lava nify. Fa nisy talenta iray naderaderan- dRavalo ka nampitombo avo roa heny ny fankahalako azy.Mpandaha- teny nikoizan’ny olona ity tovolahy ity. Nisy nanome azy anaram- bositra hoe : “Demosthène Malagasy”. Toa voatanan’ny molony mihetsiketsika ny sain’ny mpihaino. 4-Talata 12 janoary 1971, IV lah 4405 Tsy afaka ambavan’ny maro ny famelabelarana iray natao mitondrany lohateny hoe: “ Izay tsy ampy eo amin’ny fitaizan- jaza ankehitriny”. Izay tsy nananan’ny saina matsilo, nantsakainy tamin’ny boky hany ka tsy nisy madilana ho tentenana ny fonjan- keviny.Toa tsy niray dabilio izato izahay roalahy. Nasiany hasiny toy ny voasary vita antsipiriany toy savony, ary voatoko telo miefa madinika toy ny rano an- kitsa k’ akoho ny toetry ny zaza .Hoy izy: -1-Mpifikitra amin’ny tanan’ ondry natolotra azy ny ankizy ka tsy manopy maso ny hofany: “ égocentrique izy” -2- Tsy hainy manavaka ny mahasoa sy ny mahafinaritra : “syncretique izy” -3- Voleny aina ny tsy manan’ aina : “ animistie izy” Taiza re no nahaizan’ ilay karilahy io an’ izany. Hoy aho, kanefa tsy siansa sarotra akory no namakiany loha tany an- tsekoly.Ny tena nampivonto ny foko dia ny saotra sy dera no zarain’ny vahoaka taminy, nony nirava ny lanonana .Tapa – kevitra aho fa handrombaka ny talentany. - Tsy maila- bava sahala amiko iny, hoy ny eritreritro. Izaho tomponarivo zatra kabary ambony vavahady.Avelao hifampitaha ahitana ny lesoka. Raha misy mitsipelika ho trondro ny any, misy tandroho tsara ladina aty.Raha misy ombimanga mitrena an – tanety any, misy lalomena mirehoka am- parihy aty. Izy taolan- trondro maranitra tsy hanin’ amboa lava nify, izaho kosa sifotr’ antitra tsy mahavazaha renivorona. Ny ampitson’ iny ihany dia tany Antananarivo aho no nierinerina.Noteteziko ny trano fivarota- boky hikarohako “mpampianatra moana” mitanisa folozofia? Noheveriko mantsy fa ny dokafan’ny mpihaino ho mpandahateny ngezalahy dia izay mampiasa teny vahiny tsy an’ erany. Tsy ny handinika ireny boky ireny no be tato an- tsaiko, fa ny hitsimpona fotsiny teny sarotra, mba hinoan’ny valalabemandry fa nianatra aho 5-Alarobia 13 janoary 1971, IV lah 4407 Nandritra ny herinandro aho namboatra lahateny voaravaka teny baiko.Ninia tsy nivoaboaka mihitsy fa ny mpitantsoratra no nampiandraiketiko ny asa birao. Nihidy aman- trano aho ka dia ny seza sy ny latabatra no solom – bahoaka notereko hihaino ny lahateniko. Nianarako ny tsy nijery taratasy, satria io no tena nideran’ny olona an- dRavalo.Efa nobitsihiko mialoha koa i Kotomanga mpikarakara mba hitarika ny tehaka. “Matokia manana ahy ianao tompokolahy , hoy ny adala.Hanampy ahy amin’izany ny mpiadidy.” Tonga tokoa ilay andro nandrasana, nahita vahoaka matroka ilay vohitra nofeheziko. Ny anton’izany dia satria nampitahorin-dry Kotomanga toy izao ireo mpamboly mandadiana : “Hikabary ny lehibe, ka izay tsy manatrika eo dia hihinana dimy andro an- tranomaizina” Eritrereto kely ange ny fahorian’ ireto, tambanivohitra mahantra è! Ny vatsy lolohavina, ny ankizy babena, ny tena ngolim- panala, ati- ririnina indrindra tamin’ izay.Ny lohateny hovoasan’ny mpandahatra anefa tsy mikasika ny toe- karena na ny fiainan’ny tantsaha akory fa “ dinidinika filozofika”. Adiny iray mialoha ny famelabelara- kevitra dia feno hipoka sahady ny Tranompokonolona.Vao nisokatra ny rindrin- damba dia horakoraka sy hoby no nandraisan’ ireo mpila ranondranony ahy. Isan’ ireny ireo mbola tsy nahatapitra ny hetrany, ireo ray aman- dreny miandrandra vinanto tomponarivo; ireo mpanatanteraka an- jamba ny baikon’ny ngeza; ireo mpileladelaka ny ira- bazaha. 6-Alakamisy 14 janoary 1971 , IV lah 4408 Fa niseho taratra teo am- panombohana ny hafokan-dry Kotomanga. Hoy aho teo am- pialan- tsiny hoe: “voan’ny sery ny havanareo, tompoko, ka somary kentsona”.Izany teny izany avy dia nitehafana elabe.Efa nivandrina azy aho , nefa vao mainka ningainy ny lamako. Nandroso ny famoaboasana.Nataoko miraradraraka ny teny vahiny.Itony ny santionany: sady “ autolistique” ny zaza no “réaliste” no “finaliste”.

LXXI Ny hamantarana azy dia ny “test d’ effecience” sy ny “test de caractère”. Tsy haiko tsara akory anefa ny manazava ny antsoina hoe : “test”, fa dia faly hamerimberina izany fotsiny ny lelako.Tsy naharitra i Beravony mpiambina birao ka nananga- tanana. - Inona moa tompoko no tianao ho lazaina amin’ny hoe: “pesta” izany? Hoy ny adala. Dangin’ny hehy ny vahoaka nahare ny teny hoe “ pesta” .Vao mainka naverin’i Beravony anefa ny fanontaniany . Lehilahy sahisahy izy io. - Tsy mandefi- mana- mahitsy aho, hoy ny teny averimberiny mandrakariva. Manilo toa ravin’ amina rahefa tsindriana. - Mipetraha ialahy ry ilay donendrina ity a! hoy i Kotomanga.Mamaky teny aza ialahy mihisitra tahaka ny sarety ka eo no mba manadinkadina eo. - Inona fotsiny no ahatongavana eto raha tapenam- bava toy ny tongobolo ? hoy i Beravony. Nifandramatra teo izy roalahy ka don-databatra intelo nataoko vao nampitsahatra ny fifamaliany?Tsy nisy tsirony tamin’ny besinimaro intsony ny lahateniko. “ Sarotra” hoy ny sasany. “ Tsy mazava” hoy ny hafa. .Teo am- piravana , mbola nifanjola ihany i Kotomanga sy Beravony. - Mbola hafa mose Ravalo raha mandahanteny , hoy i Beravony - Mose Ravalokely maivan- kitsaka ve? Hoy i Kotomanga - Ragovanareo mavesa – danja fa manan – kevitra lanjan’ akotry. 7- Zoma 15 janoary 1971, Iv lah 4409 - Ialahy no kilasy gisitra tany an- tsekoly dia niala - Tsy azon’ny tantsaha akory ny “pesta” nohazavainy. Nanjary resaka ny lahateniko.Tany amin’ny takona hoy i Kotomanga, nisy sahy nanome anarana ahy hoe: “ Rahaingo pesta”. Telo andro taorian’ izay dia nanatona ny “Administratreur Mose Sauvage” aho, mba hitory an- dry Beravony sy ny namany.Nalaza ratsy ity mose sauvage ity. Rehefa izy no mivindavinda sy manainga soroka, tsy maintsy voasoratra ho isan’ny mpatory ambony lampihazo ianao ny alin’iny; raha miarahaba azy ianao, tsy maintsy miondrika elaela ka tsy mitraka raha tsy efa dify roapolo metatra izy sao hiverenany. Notantaraiko taminy ny fihetsik’ ireo nanome anaram- bositra ahy hoe: “ Rahaingo pesta” .Tsy nila famotorana ela alory fa avy hatrany dia nibaiko hoe: “ gadrao mandritra ny folo andro”. Volomborona misetra tadio ry Beravony ka tany am- ponja vao tafatombina; 3 _Vonoy fa mpokomy: Vao voarohy i Beravony sy ny namany dia inty tonga tamin’ny birao Ravalo. - Sao dia mandoro ny Tantsaha izao hafanam- pon’ ise mitobaka izao? Hoy izy - Tera mena aho nahare ity fanivaivana ahy hoe “ise” .Noheveriko mantsy fa tokony ho lolohaviny an- tampon’ ny loha ny ambonin- jato toa ahy; - Raha tsy faly ialahy ndeha mitory ! hoy aho - Aza malaky miantsamboatra toy ny vary kely an- daona aloha ise fa mifitsaha toy ny takotra, hoy navaliny.Inona no adidintsika “avaram- pianarana”? Moa tsy ny hanainga ny Tantsaha? - Hanainga azy hikomy? Io “Fahaleovantena” aorinareo aminy isan’ andro vaky io ihany no manimba ny lohany. - Mbola te- hivesatra ny ziogan’ny fanjanahantany izany ise? 8- Sabotsy 16 janoary 1971, IV lah 4410 -Raha lasa anefa ny vazaha iza no hanakarama an’ ialahy? Voaozona ho tsentsefin’ny vahiny ve ny hatsembohantsika e? -Raha omem- pahafahana ireo vodiahitrarivo ireo, ny hitovy saranga aminao no himasoany ka ho foana miaraka amin’ izay ny “ mpampiasa” sy ny “mpiasa”. -Toe- tsaina nolovanareo tamin’ny “voanjo” izany. Manohitra an’io ilay fahendren’ny razana manao hoe: “fandridra-drano ka tsy misy avo sy iva”

- Handroaka vazaha hoe ianareo? Langilangy sy kibay no hisedrana ny tafondro sy basy? - Tsy hery no harangaranga fa firaisankina ombam- pitiavana. Ho takiantsika amim- pahendrena ny zo aman- tsata mahaisika antsika. - Tsy hanaiky hanome fahaleovantena antsika ny vazaha. - Tsy mbola nanadran- tsakamalaho akory va ny molotra dia hitarain- tsioka sahady? - Andramo ary ny mifampidinika amin’ i Mose Sauvage, satria naidiny an- tranomaizina ny mpiray tanindrazana amin’ ialahy. - Ise no lohasaha nitsanganan’ny afo ka mangatsaka ny fanampian’ ise aho. - Asain’ ialahy milefitra eo anatrehan- dry Beravony izany aho. - Satria tsy meloka izy

LXXII - Kanefa nanazimba ahy tamin’ny “Rahaingo pesta”? - Ise no ratsy famaofy voanjo ka tsy hitany tavan’ arosiny… - Eny fa mahay ialahy.Ingao ny tantsaha homba an’ ialahy, kanefa tandremo sao didimaso mitsoka sakay ka miharan- doza ho an’ny tena - Izay mipoa- basy an- dohasaha no hiati- drohona ho an’ny sofiny. - Nisaraka izahay roalahy fa samy voarirotry ny fahatezerana..Izaho ningain’ny avona diso fatra ka ny varavarana tsy niady tamiko no nakatrokatroko; izy nibata vato tsy nahovoka ka ny fo zaka no nenti – nody Ny talata manaraka iny andro nihaonanay sy Ravalo iny dia tonga tao an-tsena hikabary i Mose Sauvage.Fara-tsena mialoha fandroana tamin’ izay ka namorompotsy ilay toerana natokana hivarotana sy hividianana. 9- Alatsinainy 18 janoary 1971 ,IV lah 4411 Nikotaba teo ankalamanjana talaky maso ny haren’i Vonizongo.Lamba landy fitenan’ny mpanana, natao tenona valoharaka fa tsy tohivelatra, jiafotsy nomen’ny vinanto sora – tsamihafa. Miavovona etsy ho etsy kosa, mitovy bika amin’ny tendron’ ambohidambinana, ny akotry vaventy voa, ifaninanan’i Mangidivoanjo sy Ambohimanarina. Indreny mitsitra eny ambony akalana ny trondro vahiny makadiry nofaraingona tany Andranobe. Miandry azy etsy avarabaratra hatramin’ny nongon’ Ambohitrandraina, toa mihambo ho fitenehan- daoka, na dia vary am- pangoro sokinendra ihany aza no hainy masahina.Fa injany mamelovelo tany ho any ny feon- tsodina.Vetivety foana indro nisava ny lalana teo am- bavahady. Miditra ny kianja ny besavily mivadika hofany, kely fingotra malefa- pihatsika; ny omby bada midoladola amin’ny trafony, ny rangaranga mifahy miambozon- daoranjy mivolom- bolamena. Miedinedina avy ao afara ny tompony , to te- hivolana hoe: “ voninahitra omena tantely fa ny fary mba mamy ihany; voninahitra omena ny sobiky, fa ny fatrambary no tompon’ny fatra; voninahitra omena ny sinibe, fa ny zinga no tompon’ny tantana,ary voninahitra omena an’i Vakiniadiana fa i Vonizongo mba mpamahy omby ihany koa” Tokony tamin’ny misandratr’ andro eo, velona ny takoritsika eran’ny tsena:“ Tonga hono ny Administrater Mose sauvage”. Nanalava tenda ny tsy mbola nahita .Nifanontany ny tsy mbola nahafantatra - Iny “ tsy mindran- tohatra “ iny ve no izy? - Voalazanao .Mierona toy ny liona very remby anie izao lehilahy izao raha toherin- teny e! - F’ angaha tsy mamy hoditra amin’ny vahoaka akory? - Mangidy mampihivingivin- doha - Ary iza iny tovolahy malagasy miaraka aminy iny ? - Izy no mose Rahaingo,goverinera.Tsimondrimondry natao odi- boka izy sy ny Admisy, ka tafaray samy ratsy. - Tsy maintsy mihaino ny kabariny ny mpiantsena rehetra. - Azo atao ihany ny midify, raha toa ianao ganagana leom- piainana, mitady hanao antsitrika ao anaty rano mandevy. 10 Talata 19 janoary 1971, IV lah 4412 - Izy ve akamarika olona iray tsy manatrika eo? - Ny akotry no voaenda-damba, ny laona sy fanoto no miray tetika .Ianao matoa tafiditr’ amponja , i Kotomanga sy ny mpiadidy no tia tati- bolana. - Dia ny manatrika eo izany no mety,sao mandositra ny anjombona ka sehatry ny angaroa. - Marina izany e! vary tototra atsanga anie isika Tantsaha e! :voatery setra havozona , ka tsy misy hiolanolanana.Tsindretra antsisim- parihy: mamkany amin’ny marivo, tsindrohin’ny vano; mankany amin’ny lalina , arapaky ny mamba.Bararatan’ Ifanja :raha tsy apararetry ny rano , apararetry ny voay Izany no bitsibitsik’ ireo mpamboly mandadiana. Kalon’ny moana ny azy ka any am- po no mamelovelo. Sakoboniny ao anaty lamba ao ny fahoriany sy ny alahelon- tsainy ka tsy tazan’ny “ mpanao izaho ity” sy ny “ mpitsara ivelany”. Tsy fantany fa sady mitehaka ireny olo-mavomavo ireny no mitomany anaty, sady mihorikorika izy no miantso tody. Nifanosika nanatona ilay sehatra avoavo naorina vonjimaika teo afovoa- tsena ny vahoaka.Nanandratra ny feony ho enti- mampangina ny olona ny mpiadidy. Nandray fitenenana ny Admisy.Izaho Rahaingo no nandika ny kabariny.Ny voalohan-teniny dia famporisihana ny tantsaha hitrandraka ny tany. Tsikaritra teo ny mahalehilahy tsy mifaditrovana ity Mose Sauvage ity.Tsy mifidy fehezanteny hampiasaina izy ka sahiny ny namitsoka hoe: “ cultivez le manioc pour nourrir votre gueule” Tsy sahiko ny nandiko izany ara- bakiteny fa nahitsiko hoe “amboleo ny mangahazo hahavoky anareo” Vita ny fanaingany ireo vodiahitra hiasa dia namelively ireo mitady fivoarana amin’ izay Mose Sauvage . “Hataonareo inona anefa izany fahaleovantena? hoy izy.Paingotra iray aza tsy vitanareo ka no handroaka anay vazaha ianareo.Hijaly tsy hahita karama ianareo raha lasa izahay. 11- Alarobia 20 janoary 1971, IV lah 4413

LXXIII Ary toe- tsaina toy izany koa ve no ho entinareo mamaly soa anay, kanefa izahay no nampianatra anareo nipataloa, satria nisalaka ianareo fahiny.Izahay no nampahalala anareo an’ Andriamanitra Tokana, fa vato aman- kazo no nohasininareo fahagola.Tsy marina ve izany ry Ambanilanitra? Niara- niredona tamin’izany tokoa ry Kotomanga sy ny tariny.Nivandrina ny vahoaka teo anoloako aho vao nitehaka izy rehetra.Nihidy mihitsy ny vazako, satria tsikaritro fa nahazo vahana tao am- pony ny fitadiavam- pahaleovantena. Nitsangana namely kabary Rainivelo mpiadidy.Nampariny teo ny fahaizany oha- pitenenana variraraka ka nihoraka ireo mpomba azy. “ Tsy handroaka anareo vazaha na oviana na oviana izahay Tompokolahy, hoy izy.Raha Ikopa no hafaladia, raha Itasy no eran’ny sotro, raha Ankaratra no azo tsintsinina, dia miala eto aminay ianareo.

Matokia manana anay ianareo vazaha fa ny mpanao soa ampian- tany aza, misy hiankinana; ny manao soa fotokazo, misy hialofana, ka mainka va ny manao soa olombelona.Veliranon’ny mpiray tampo ny antsika: izay mivadika aloha horesen’ny nono niraisana” Tsy nifandrenesana ny hoby nataon’ ireo rehetra mpila ranon-dranony. - Sao dia mbola misy mahatsikaritra madilana ho tentenana ? hoy aho nila toky. Nanangan- tanana hiteny Ravalo ka tsiravina ambony ihany aho.Tsy mbola nahita tovolahy sahy maty toa azy aho.Hevero kely ange izany hoe: “mpiasam- panjakana ,nefa mijoro hamosaka ny rariny; ataon-dry Mose Sauvage tsindry hazo lena”. Tsy arakaraky ny hakelin’ny tenan’ ity Ravalo ity ny toe- tsainy.Toa tsy mihetsi-bolomaso akory izy eo am-trehanay. - Tsy hanosika anareo vazaha anie akory Tompokolahy no tarigetranay, hoy izy.Tsy hanamontsana ho tavilotra ny vilanibe nanatoana izahay. Ny takianay amim- pahendrena dia ny zo aman-tsatanay norombohanareo teo am- pelantana-dRanavalona fahatelo. Ary ny amin’ ny hoe: “ianareo no nampahafantatra anay an’ Andriamanitra,diso izany.Ny ohabolanay efa nampianatra hoe: “ Aza ny lohasaha mangina no jerena fa Zanahary ao an-tampon’ny loha” 12- Alakamisy 21 janoary 1971, IV lah 4414 Ankasitrahanay tokoa ireo soa marobe nataonareo taminay, kanefa kosa, tsy nifanaraka taminareo izahay fa hatakalonay ny fiandrianam- pirenenay izany. Moa tsy ny filozofia nampianarinareo vazaha ihany no nanebaka ny “ morale utilitaire” ilay “ atero ka alao” ; ilay “raiso aho handraisako anao” . Ka nahoana no asianareo tambiny amin’ny fakana ny taninay ny soa naparasakareo tetoana”. Mihivingivin- doha i Mose Sauvage. Nindrana ny lokon’ny sakay pilo masaka ny ravi- tsofiny. Ny “ hifankahita isika roalahy” no toa fara- teny nentiny nandrava ny vahoaka. -Mety va raha hajedaka ilay “ kely endaka” io? Hoy izy, raha niera tamiko. - “Vonoy fa mpikomy” hoy aho namporisika azy. 4- Fanjanahan – tsaina: Na samy voanjo aza samy hafa ny toetran’i Mose Sauvage sy Mose Debonnaire filoham- paritany. Kitsangana sy avoko izy roalahy, tanety no iraisana , toho sy tsoboboka : rano no ikambanana ,fa ny tarehy aman- tsaina toy ny atsimo sy avaratra. Mose Sauvage masaisay toy ny ravin’ alampona, Mose Debonnaire kosa malamalama toa ravin’ akondro. Iroa voalohany mpitsingoloka toy ny ganagana mihaza toho,fa itsy faharoa kosa ,vaky loha amin’ny fitiava- namana toa lambo mandom- boara.

-Inona moa no mahameloka an-dRavalo raha manainga ny tantsaha hitaky ny fahaleovantenany ?Hoy Mose Debonnaire. -Ho resy tosika eto isika ka ho very fihinanana, hoy Mose Sauvage. -Isika angaha tompon- tany tsy mpindrana - Faly izany ianao raha roahina hiala eto? -Faly aho raha ny zaza notezaiko no mahatsangy no ary ka miteny amiko amim- pahatsorana hoe:” aoka aho hitokan- trano amin’ izay ry Ikaky” - Izy ho tafita fa ianao kosa hataony “vato tsindry ahazana” -Tsy hitsipa –doha laka – nitana velively ny zaza Hendry. - F’ angaha zaza Hendry ny Malagasy? - Raha tsy Hendry va izay hitaky moramora ny fahaleovantenany. Ny firenen- kafa anefa manapoaka basy sy tafondro.Ianareo ihany no manao izay tsy hitiavan’ny Malagasy anareo. 13- Zoma 22 janoary 1971, IV lah 4415 Vao mba milaza ny heviny ry Beravony dia petahanareo gadra. Mangata- pahaleovantena ry Ravalo dia fihetsik’ olon- dromotra no asetrinareo izany. - Ka inona ary no fanafodiny? -Lefaho ny fitondrana henjana.Avoahy ry Beravony. Safosafo no ilaina fa tsy kapoka. Resy lahatra i Mose Sauvage ka niondri – doha.Vao tonga tany amin’ny biraony izy dia nampiantso ahy mangina.

LXXIV -Esory any am- ponja ry Beravony sy ny tariny, hoy izy. - Fa ahoana , hoy aho taitra mafy. -Andron’ny tambitamby izao. -koa raha dradrain’ny Ambanilanitra fa resin-dry Ravalo isika - Tampeno ny sofina tsy handre izany -Ka inona no fomba hanoherana nyfahaleovantenan- dry Ravalo? -Fanjanahan- tsaina -Borahy amiko hoe ny ho enti- manana izany - Izaho ihany no tompo- marika fa ise kosa mpanatanteraka . Ny ampitso maraina dia natao olon’ afaka madiodio ry Beravony telo mirahalahy. Nanidina ny tsaho;nampandihy elatra ny tsaho. -Nangataka ranomandry tamin-dRavalo,hono, ry Mose Sauvage; - Ela nitoratorahana ireny ka nahavoa mason’ angatra - Raha malaza ho amalon- javatra Rahaingo, fintana tsara tefy kosa Ravalo. - Mody maty foana ry Mose Sauvage ka inona no resy eo! Hoy kosa ny tia fandalinan- kevitra: Mitanika tetika vaovao izy, matoa foanany ny tranomaizina.Ataony akohovavy maneno ireo ry Ravako ireo ka tapa –dohan’ny vavany ary akondro ambanana antsy ka mihatra rahefa ela. Fa nampanalain’ i Mose Sauvage indroa isan- kerinandro aho mba hampianatra ny “fanjanahan- tsaina”.Tsy nohazavainy toy ny lesona fanome an- tsekoly anefa izy io, fa nataony sarintsarin-didy tsy maintsy ho tanterahina. Nampiantsoiny koa ny notabla sy ny manampahefana eny ambanivohitra ka natorony izay tokony hatao hoenti- manampy ahy. Ny baikon’ny Admisy dia ny hanomana lanonana iray ho enti- mitokana ny hopitaly vaovao.Tsara endrika ivelany ny voara fa mirakitra vitsikambo. Mampilendalenda izany hoe: “ hitokana trano fitsaboana “ fa izay fonosin’ity fety no sadasada manan- tsoratra. 14- Sabotsy 23 janoary 1971, IV lah 4416 Nanjavona ny vela- tanana fa dihy tranainy efa tokony hisotro ronono hono. Tsy nankarina an- tsehatra ny mpihira gasy fa mankadilo ny “sofina sivilize” ny hirany. Izay hampiroborobo ny “dihy valotra “ no nimasoana. Noterena hianatra “bal” ny tanora teo an- tanana sy teny amin’ny manodidina . Ny ray aman-dreny manohitra izany dia norahonana hoe:“mitady handroaka vazaha angaha izato ianareo”.Isan’ alina dia natao ny fampianarana dihy.Nohafarana ny tarik’i Zafilahy, mpitsoka sodina malazan’ Antsahafilo, hiandraikitra ny mozika. Tamin’ny voalohany dia tsy nahay afa- tsy ny “revareva” izy ireo, hany ka nanahirana ery ny nampianatra azy ny “guittare d’ amour” sy ny “ Etoile ne neige”. Izaho sy ilay grika mpivaro- taoka tao an- tanàna no mifandimby misioka sy manao aponga latabatra hampirindra ny dihy. Fa ny tena mahatsikaiky dia ny fihetsik’ ireo mpandihy zazavao.Vao niteny aho hoe:ny “fox” no hanombohana” dia niantsambotsambotra i kotomanga fa noheveriny ho “ dihin’ alika “ izany. Ny an-dry Rainizafy mpiambina birao indray, ilay kapaoty be feno mena – tsarety no nanaovany ka tsy mety ho raisiny ny zazavavy.Hatramin-dry Zafindravony,vehivavy lazondazony malaza ratsy ho mpamosavy no seriny dia seriny.Somary manatrikatrika izy izay raha mandihy ka voaketony tampoka ny ila-sofin-dRaibarimonta notabla sendra nitondra azy - Hanky va re! hoy Raibarimonta, sady nakifiny mafy i Zafindravony ka nitsirara tamin’ny tany.Vonjeo aho rey vahoaka fa voarambin- dRamboanjo ny sofiko a! - Vao nahita ny sofim- badiny nivoa-dra i Soangita dia indry nanao fiavin-dreniomby nandaroka ny ambavafon’ i Zafindravony tamin’ny totohondry vilana. Nikiakiaaka toy ny kisoa esorim- boavary izy no miantsoantso hoe: “ ilay mpamosavy ratsy ity” ! Nanomboka teo ny ady antsanga. Nororitin’i Zafindravony ny sodina teny am- bavan’ny mpitsoka ka nikapohany ny nangin’i Soangita. Akoralava eran’ny trano. Niraraka toy ny avandra ny ozona sy ny savato .Notrerona aho, nefa tsy nety nandefitra mihitsy i Zafindravony. 15 – Alatsinainy 25 janoary 1971, IV lah 4417 Voa mafy hono izy ka tsy maintsy mamaly faty. Nivoaka ny trano aho nitselika naka ny poletako.Nambanako an’ iny iretsy mpiady vao indreny naka toerana..Voatery nanao lesona momba ny fahaiza- miaina aho hamaranana iny takariva namoa- tsampona iny. - Amin’ny manaraka hoy aho, tsy ekeko intsony ny adilahy.Ny mpandihy rehetra tsy maintsy madio fitafiana avokoa.Esorina izay rehetra mitondra fahamborodamba. Manaova metimety ianareo lehilahy fa raha vorondolo ianareo,tsy hiara –misodika aminareo ny domohina. Mitsiky ihany ny nify fa taolana.Nihoraka ny tovolahy fa dangin’ny heny kosa ny tovovavy. -Manaraka izany, hoy aho, nanohy ny teniko, atsaharo masonandro anio ireny dihin-drazana mahazatra anareo ireny .Andron’ny vazaha izao ka vazahio ny tena sy ny saina ary ny fanahy. Namaly kabary indray Rainivelo.: -Homba ny dianareo tokoa izahay Ragaova, hoy ny adala, satria tsinjonay fa ianao no tendrombohitra tsy azon- driaka, ka havoana tsy saron- javona, tatamo endriky ny farihy, voarabe endriky ny saha, sahondra ravaky ny

LXXV vatosopanga miatendro vero ianao fa tsy mba ny kijeja misafo ahipalana .Railovy andriamborona fa tsy mba ny tsikirity komavoka; “Ary farany, somary kevokevoka. Satria efa vazaha ny tany ka aoka aho hamitsoka teny vazaha: “ merci dia merci anao nous paysans mose le goverinera”. Ripaky ny hehy ny olon- drehetra.Nitsiky tsy ravo hatramin’i Soangitra sy Zafindravony. Rainibarimonta koa aza sady nivanika no nisafosafo ny ny sofiny koro tao anatin’ny indray mitono valala. 5. Efa vazaha ny tany Nitohy isan’alina ny famerenana ary naharitra roa volana. Hatrany am-panetsana avy ny tovovavy no mifanao vazivazy hoe: “tandremo sao manao “valse” lente ao anaty fotaka”. Ny tovolahy mihosy tanimbary manao vosobosotra hoe: “atao tahaka ny miangaly “step” ny mamaky bainga è”. 17_Alarobia 27 janoary 1971, IV lah 4419 Efa nomena baiko koa ny vahoaka mba hitehaka izay rehetra mikabary no sady hinorikorika, na dia hevitra lanjan’okotry aza no aposaky ry Mose Sauvage. Nifanizina teo antokotanin’ilay hopitaly vaovao hotokanana ireo Tantsaha tsy manam-pidiny. Samy niraraka avokoa na ny kely na ny lehibe. Ny vehivavy mianjonanjona teny ambony kiraro avo voditongotra, natakalo vary tamin’i Sam Tsio, sinoa manana trano fivarotana hatrany Ankazobe ka hatrany fihaonana. Mavesabesa-pamindra toy ny dokotra miresaresa ireto izy. Ny didy akanjo nifaninanany dia ilay maka ny andilam-pangaraka. Ny tsy nitovizany tamin’ny zanaky ny renivohitra, dia ny lokomenany mitakosina, toy ny toto-tsakay notapohina patsa. Ny lehilahy kosa nijihina tamin’ny malabary be soratry ny mpanao dabokandro, nosaronany kaompile mitomany borosy. Sikina lambahoany no solon’ny pantaloha velon-drirana. Very fahaleovantena mbola tanora ny mason-dry zalahy ka nindramany solomason’ariary dimy tery amin’irony mpivaro mandeha tsy mahasintona mpividy raha tsy manao ladina an-tany irony. Ny tehina harahara voam-paly, amin’izay somary akivilivily, toa te hilaza amin’ny olo mifanena fa tsara tohana manana an’iny ka tsy matahotry ny halaman’ny tany dilatra. Teo amin’ny maim-bohon-dravina dia tonga i Mose Sauvage, notroninay mpiasam-panjakana maromaro. Nibaribary teo ny maha-vonin’avoko sakaizan’ny tanety an-dRavalo, raha mitaha amiko losy fo. Tsy reharehan- jaridaina. Izaho nianjaika tamin’ny fitafiana sarobidy, voaravaka galona, nitombo endrika tamin’izato kasikaty feno haingony mamiropiratra. Izy kosa tsy nahasintona afa-tsy topimaso roa aman-telo te-hangoraka, noho ilay kaompile volontany takatry ny tovolahy tantsaha, tsy manana afa tsy vary dimy vata. Niseho sehatra teo indray ny hadalan-dry kolomanga. Hoy ny voalohan-teniko: “Simba ny kodiarana iray tamin’ny fiarakodian’ny Admisy ka izany no naha-tratra aoriana azy”. Ningainy tamin’izay ny lamako nirefodrefotra. Hatezerana moa izao ahy izao! Talohan’ny fitokanana dia nanao kabary fohy tsy navelany ho valiana i Mose Sauvage. 18- Alakamisy 28 janoary 1971 , IV lah 4420 Noantitranteriny tamin’izany ny fitiavan’ny vazaha ny Malagasy, ny soa sesehena nozarainy tamin’ny teratany, ny hadalan’ ireo mitady fahaleovantena ka manao tahom- boanjo ny mpanao soa, ny tsy hialan’ny vazaha eto Madagasikara. Ny famaranany ny teniny dia tsodrano : “enga anie ho tahian’ Andriamanitra ity nosy sambatra ity”! Tsy nifandrenesana ny hoby sy ny antsoantso hoe: “ Ho ela velona anie ny Administrateur” Ravalo kosa teo ivoho, miondrika sady misento.Fantany mantsy ny fahaizan’ ity Mose Sauvage ity politika. Mody miantso an’ Andriamanitra izy, mba ahazoany ny fon’ny vahoaka. Matetika io fifikiran’ny Malagasy amin’ Andriamanitra io no hamandrihan’ny fetsilahy azy.Mody miantso an’ Andrimanitra ny mpanavakava- bolo - koditra . Mody miantso an’ Andriamanitra ny tsy misaina afatsy ny tombotsoa ho azy manokana.Dia babony ny fo Malagasy, kanefa, ao anatin’io renirano tony io, misy mamba noana tsy mahamasim- panidy, fonosin’io voampo mivolom- bolamena io ny tsiro mangerokeroka.Ary iza no nanampo fa irony vorompotsy mangatsakatska iroa, izay nampindramina ny soratry ny oram- panala no hiterak’ andro volon- davenona. Fa nanomboka ny fampisehoana ankalamanjana.Nidin- tsehatra voalohany ny tarik’i Belazaina avy any Ankazobe.Rango no nataony. Nihisitsisitra ny manam- panahy, satria tsy hita taratra teo ny vakodrazana madio, noho ny tononkirany vary amin’ anana. Nihoby azy kosa ny manan- tsaina misavoamboana ,toy ny takotra ingain’ny roatra . Itony no santionany:“Izaho te hilatsaka militera ;Saingy ny tena selibatera” Ry Ramarojerena avy any Ambohitrakolahy no nahasarika ny mpijery, tamin’ izato satrony ahibano, mikopakopaka toa lolonandriana sy ny sampan- kavia manadala vahiny.Ny kalony koa tsy mba safiotra misafotofoto, fa ny tsioka malefadefaka mampanainga ny vetso.Azo oharina amin’ny inona re?

Toa rano mizotra Toa kintana kely Tsy mihambahamba Ny fomba fiantefany Maniry hitsotra Maniry hanely Fa lakana angamba Ny tara malefany

LXXVI Ka mandrotsirotsy Toa rahona fotsy Ny fom- birijiny Madio tsisy tsiny 19- Zoma 29 janoary 1971, IV lah 4421 Dia nisosa koa ry Zafilahy mpitsoka sodina. Niova endrika kely izy ireo tamin’ ity indray mitoraka ity.. Satro- bory manga, akanjo malala- bozona ary pataloa jaky; ireo no nentiny niseho vahoaka, hany ka nahasarika jerin- jazavavy ihany, na dia ilay monto maso, be molotra toy ny lovia manga ivoho aza. Norarafany ny “Imiangaly no manina” ka nievingevina tao an- toerana ny zokiolona, fa nangarika kosa ny sidiny. “Ovay vazahazaha” hoy ny antsoantso nankarenin- tsofina. Ningain- dry Zafilahy ny stepy matselatselaka.Nisodika i Mose Sauvage sy ny vadin’ ilay grika. - Izy samy vazaha ihany no mifampitondra hoy ny mpijery - Vao fanombohana kosa tsinona, hoy ny hafa - Izy kosa ve hifampisakambina amin-dry Zafindravony lava loha - Ataoko inty midera tena ho “ tia Malagasy” ingahy vazaha. - Fitia an- tendro- molotra e! Tsy mihinana ny sakafo fihinantsika teratany akory io. - Jereo ange i Soangita , toa mamboa - tena ery, sao raisim- bazaha. Iloka! Ihomehezako fa ,raha ngita saro- bahana. I Zanapatsa,zafikelin- dRaibondaro aza omaly nibitsibitsika tamiko hoe: “ izay iray isika roa rahampitso manimanitra admisy” Nifarana tamin-damako mitalakotrokotroka ny dihin’i Mose Sauvage sy ny vadin’ ilay grika. Namelovelo indray ny feon-tsodina izay nitarika dihy tambabe.Niondrika teo anoloan’i Zanapatsa Rainivelo mpiadidy, mba hangataka azy handihy, nefa novaliany teny an’ avona hoe “izaho mbola hiandry Admisy”; i Zafindravony koa aza mba namely ny hoe: “tsy hiainga raha tsy entin- dRagova”.Notantaraiko an’i Mose Sauvage teo amin’ny latabatra fialana hetaheta izany ka nihatokatoka ery izy no niteny malemilemy hoe: “ ny politika mandaitra indrindra dia ny fihatsarambelatsihy”. Nitsangana ity vazaha fetsilahy, dia indry nandray an’i Zanapatsa Izaho koa mba nibeda an’ i Zafindravony.Horakoraka izao ny an’ny vahoaka. Hakevohana anie izany ny an’i Patsa sy Zafy. - Mandainga ianareo fa hay tena tia antsika malagasy marina ireo vazahabe, hoy ny mpitsara ivelany. 20-Sabotsy 30 janoary 1971, IV lah 4422 -Marina tokoa izany, hoy ireo mora sodoka. Tsy tia Malagasy ve izy hiara-mifampihosona amintsika tambanivohitra mavomavo. Oviana nisy Admisy nahavita toy izao.Ny an’ny sasany, mandray ny tananao maraotra aza tsy sahiny. - Izao tsinjonareo izao no atao hoe politikan’ny fetsilahy, hoy kosa ny feo iray naningana tany ho any. Ohosorana ny varinesin’ny fihatsarambelatsihy daholo ny zavatra eto an – tany, hany ka mila tsy ho hay intsony ny manavaka ny lalimanga sakaina ho tampary sy ny tantelikely vahinin- jaridaina. Niherika ny maro hijery izany mpiteny sahisahy izany ka tsy iza no tsikariny? i Ndrembaliha mpanasazy ireo manam-bavony sivilize, mangovitra eo anoloan’ny ranololan –drazana.I Ndrembaliha mpanosika ireo mpanao fanahim- biby any ivelan’ny faritra maha olombanona, i Ndrembaliha mahantra sady mavomavo, nefa mahatsapa fa aleo olon’ afaka homam – boangazo toy izay andevon’ olona homan-dibera. Niato kely indray ny mozika fa vita ny dihy. Anjaran’ny mpihira indray izao. Nitsangana ny tovolahy anakiroa ka nezahiny tamin’ny feo manga dia manga ny “ Lakandrafitra very fivoy”.Nipitsa ny vahoaka.Tsy nisy nahateny fa samy nampifantoka ny jeriny tamin’ iretsy mpikalo.Toa tazan’ ireo tia Tanindrazana eo ambony lohan’ izy roalahy ny avelon’ Andrianampoinimerina sy Ilaidama, mitsodrano hoe: mahaleova, mahalasana ry ilay tsorak’ olona tsy misotro voamanadino fa mitelina voamahatsiahy. Raha hira vahiny no manavia anareo, tsy maninona izany, satria mpindrana isika. Fa raha hira malagasy kosa no tsy hainareo, hitomanianay eo an- jorofirarazana ianareo, satria efa nandevim- belona ny mahamalagasy antsika” Naharitra elabe mihitsy ny tehaka mari- pankasitrahana, nony nifarana ny hiran’ izy roalahy . Niara – niredona ny “avereno” ny vahoaka Antsoantso saiky nampitriatra ny valin- drihina no nanako tao an- trano.Nampangina ny olona tamin’ny feo avo aho vao niverina indray ny fahanginana; - Henoy ! hoy aho, nitrena.Tsara ny hiran’ izy roalahy, saingy tsy sahaza ny andro ankehitriny intsony. Efa vazaha ny tany ka avelao hiala sasatra ny hira gasigasy. Omeo hasina ny feo vazaha. 21-Alatsinainy 01 Febroary 1971, IV lah 4423 Nihisitrisitra ny besinimaro, hany ka nasaiko nilaza ny heviny tamin’ny teny frantsay i Mose Sauvage, ary nadikako izany mba ho enti- mandresy lahatra ireo be kirina. - Tsy misy kianina izany tsangan- kevitry Mose Rahaingo izany, hoy ny Admisy .Ny firenena rehetra mikatsa – pandrosoana, ka nahoana kosa ianareo Malagasy no hifikitra amin’ izay navelan’ny razanareo. Ilaozy ny fahiny fa efa vazaha ny tany e! Sady nitarika ny tehaka aho no nanampy adirima antemako hoe: “Na haingo , na ravaka , na bika ; Tsy maintsy onàn’ny zanantsika Na fomba fihetsika , na mozika Hanahaka ny andron’ny atomika

LXXVII Ilaozy hy hira tsy miady bà Ny mianatra ny fomba Meteza hiangaly ny polka vazahazaha . Tsy maintsy ifotoran’ ireo Tantsaha

Nihoraka sady nihorikori ka indray ry Kotomanga sy ny tariny. -Mbola hafa Ragova hoy ny adala -Meteza handroso fa efa vazaha ny tany , hoy kosa Rainivelo. 6- Ilay voninkazo Madera: Feno dimy ambiny roapolo taona indrindra aho, raha nanomboka nandray ny raharahako tao Angavon’i Vonizongo.Zokiko telo taona Ravalo. Taorian’ny lanonana malaza dia tapaka ny hevitro fa haka taolan- tehezana .Vatotr’ akoho manatody, ela niribaribana ka hikotrika; tsimadoa antitra, ela nivezivezen ka hanorin- dasy. Nahasorena ahy mantsy ny hambopon-dry Zafindravony hoe: “Kely sisa dia hiravaka ny vonimboasarin- dRagova ny lohako” Iza moa no tsy naniry ahy fa ny tenako no tsy ampy zara. - Indray andro dia tonga tao amin’ny biraoko ity vehivavy lehibe iray sy ny zananivavy tokony ho sivy ambiny folo taona. Hisava kopia mikasika ny sora – piankohonan-dRazazavavy no nahatongavany.Tao Angavo hono no nahalatsahan’ny tavonin-dRazazavavy , fa filàna ravinahitra no hitoeran’ny ray aman- dreniny any Antotohazo. - Hataonareo inona kopia hoy aho? 22- Talata 02 Febroary 1971, IV lah 4424 Ianao handrandrana indray ve no hanafenan- doha sola, hoy Ramavo, renin- dRazazavavy. Manan- kevitra hisora- panambadiana mantsy i Nirina. - Rahoviana? Hoy aho, somary niantsambotra kely. - Afaka volana iray na roa eo ho eo. Ilay zazavavy antsoina hoe “Nirina” kosa nisafo sirana fotsiny, sady niondrika tsy nahajery ahy. - Diso ve aho raha manontany ilay fozalahy atakalo fozavavy, hoy aho nitsiky tsy ravo. - Vazo mitovy tsy hitan-drano, hoy Ramavo. Tsy olon-kafa ho zovina, fa ny tapaka sy namanao ihany. Ravalo mpampianatry ny sekolim-panjakana eto Angavo. Tera-mena tampoka ny endriko. Toa nahery fikoriana tao anatin’ny indray mitono valala ny rako. Toa lasalasa ho azy ny teniko tamin’izy mianaka hoe: “mankanesa atsy amin’ny mpitantsoratra”.Nony dify tokoa anefa izy ireo, vao mainka nitombo ny aretim-panahiko. -Ravalo maivan-kitsaka ve, no hiompy iry zana-domoina? Hoy ny eritreritro. Ny tarehy tokoa no an- dRahiratra, fa ny vintana kosa an-dRatsitamoraina. Nahoana re iry zazavavy no miantehitra amin- kazo boboka è? Volamena maniry hitombina eo ambony ravintseva! Lisy fotsy hateronterona eo amin’ny kapilam- boatavo! Dia indro niverina teo anoloako indray ny sarin’i Nirina. Volo manonjanonja, manaitra masom- bahiny toa vololon-drofian’i Garafantsy, fijery malefadefaka toa kintana saro-kenatra, saoka maranidranitra toa paiso irin-kotazana, nify fotsy botsiaka toa rarivato narindra, ireo no fanomezana nandravahan’ny lanitra ny hatanoran-dRazazavavy. Arotsahy ao koa ireto hameno ireo hatsarana ireo ho erany: voavitsy fenofeno; bika tsy lasa zeny, famindra tsy maka sarotra. Ny hirika azon’ny haratsiana nidirana dia teo amin’ny vavany toa tata-bitrana, saingy resy ihany izany, rahefa miloatra avy eo ny feony mikarantsana, toa ritso-baliha tendrena mamatonalina. Nirina ve? oloanina soa, takolahina meja. 23 - Alarobia 03 febroary 1971, IV lah 4425 - Sambatra Ravalo kely endaka, hoy aho. Azon’ody angaha iry zazavavy. Ny amobninjato toa ahy nefa no sahaza azy. Injay nisy nandona tao am-baravarako. Niantsambotra toy ny baolina fingotra aho fa noheveriko ho izy mianaka indray no tonga hiresaka amiko. Kanjo nifitsaka hoatry ny rindra voatory aho, nony fantatro fa i Kotomanga ity manantona ahy. - Avia ialahy fa nitady toko aho ka sendra vato, hoy aho. Nitady lalana ka tojo arabe; nikatsa- pidinana sendra solampy. Fantatr’ialahy moa ilay zazavavy naka kopia teo? - Diso fantatro loatra, hoy ny navaliny ahy. Nirina zanak’i Rambelo sy Ramavo avy ary Antotohazo iny. Izy anie no fofombadin-dRamosekely è. - Marina ve? hoy aho, tsy afa-nanafina intsony ny fihetsempoko. Araka ny hevitr’ise, tokony hivady và Nirina sy Ravalo? - Sora-damba tsinona ny fitia, hoy Kotomanga. Tsy misy tsara tendren-kazo lava, tsy misy ratsy natao valan’omby, fa izay izay tiana mitombo tarehy. - Railovy ve ry ise tokony hifanindran-dalana amin’ny takatra. - Fa Ragova ve manin’olon-tsy manina è? - Matoa mihevingevina ny fanjaitra lehiroa, mafy fisintona loatra ny andriamby.

LXXVIII - Ny manana sahirana tsy toa anao ve hatahotra hiampita an’i Betsiboka. - Efa manan-tompo anie iry izy. - Tsy vodiondry naterina, tsy soratra vita ka man-tompo ahoana. - Izy ve hitsoa-pahana intsony. - Aleony lakambe tsy mandrendrika toy izay zahatra vatanakondro. - Sao dia langilangy zozoro izato hevitr’ise: ny ambany no tsy tanty, fa rahefa mipaka maivan- kitsaka. - Ny mpamintana zazavao no tsy mahalala ny ambany rano. - Ka inona no hataoko? - Soraty ny taratasy ho entin’ity tsimandoa zà-draharaha. Aza asiana sasiny fa ataovy hira gasin’ny Tankasy ka vao mipako dia fandihizana.

24-Alakamisy 04 febroary 1971; IV lah 4426 Mba nanaiky ny hevitry ny olona ambany no izaho ny tenako tamin’ ity indray mitoraka ity. Noketsaketsaiko tamin’ny milina fanoratana ilay taratasy,dia natolotro iroa iraka matoky; -Tandremo sao misy mahatsikaritra ny tsiambarateloko , hoy aho. -Ny aty angamba mivanenaka toy ny sobiky hazon-drano,hoy i Kotomanga ,sady nitsoaka izy no nidify. Tsy nahavita asa intsony aho iny tontolo andro iny.Lasa dia lasa ny eritreritro: “ ho voatosi-hom- tanana va ny tenako?” ho resin- dRavalo maivan- kitsaka va aho? Ho faty an- kazo tokana toa voangaly va iry zazavavy.Ho toy inona hofahafaham- barakako,raha fantatry ny olona fa mikasa hitango ity VONINKAZO MADERA aho , kanjo voasongon-dRavalo.

7- Ny tena fitiavana Fa tary amin-dry Nirina kosa,ny harivan’iny naharaisan-dry zareo ny taratasiko,dia nifampidinika mangina Razazavavy sy ny reniny ary Rambelo . -Ianao no aoka hifidy sy hifantina, hoy Rangahy.Eo anoloanao ankehitriny ny fangatahan-dRavalo sy Rahaingo.Vaton-doso izy roalahy ka tsy misy mahery sy osa, akondro kambana avara- tanàna rangavina tsy misy avo sy iva; papango anaty tapia ka izay mivoaka dadany avokoa, tsinombina anaty katsaka, ka izay mitranga renibeny daholo. - Mitraka aho anefa voan’ ny salazana, miondrika kosa sehatry ny toko, hoy Nirina.Ravalo tsy azoko lavina fa tonga taloha.Rahaingo koa anefa toa henenenana, raha odiana tsy jerena toy ny tonom- bomanga vory vahoaka. -Rahaingo retsy ekena, hoy Ramavo.Ny vola no maharangahy fa ny fahantrana kosa nomahaleity.Tsy aleo manambady tomponarivo .Tsy hajain’ny olona ny mpampianatra.Toy ny gorodona izy ireny ka hosen’ny sasany ambany faladia.

25_ Zoma 05 febroary 1971, IV lah 4427 Kanefa mampikoro izay rehetra manody azy, hoy Rambelo nitsatsaingoka; - Mangina kosa ianao rangahy, hoy Ramavo.Ianao no matin-dRavalo maivan- kitsaka, hany ka tsy mahatily intsony izay olona sahaza ny zanakao. - Moa tsy efa nekentsika Ravalo. - Nekena ,nefa tsy mbola nandraisam- bodiondry - Raha mbola tsy eo am- pelatanana ny labozia tsara firehitra, tsy maintsy hajaina ny jabora manantona. - Inona anefa no mahamaika anao hanambadian’ny zanakao goverinera ? - Ny goverinera maro mpidera, ny mpampianatra kosa maro mpanjera .Ny goverinera homona tsolotra; ny mpampiantrra kosa maina molotra.Ny goverinera omena sapaoritra,, ny mpampianatra kosa toa vola baoritra - Tsy nahatana ny hehiny Rambelo ka nitokelaka .Nirina koa aza mba niakakakaka - Toa tsy mety kosa anie ry Neny ny mandà ny efa nekena, hoy izy; - Ataovy eo ambony mizana tsy miangatra ary Ravalo sy Rahaingo, hoy Ramavo. Ho hitanao amin’ izany fa ny iray havesa- danja ,fa ny anankiray kosa hisavoana - Tsy tia mainty an- dRavalo mihitsy izany ianao. - Aleoko ny taviny sy volony toa an-dRahaingo. Tsy mifanentana rahateo ianareo sy Ravalo.Indriako vorombola manjelatra, Ravalo takatra fisa- doha; Indriako dalia mena midorehitra, Ravalo ravintseva vazei- miamboha. Tsarovy fa tamàna ny an- toho jinga anio

LXXIX indriako ka tsy velona an- kararàna. Zankolon-taman- miodan –tsandry ka raha mionda-mololo mikohaka. Zazavavy mpiten-damba sarika ka hisento raha tojo ny jobo. Niala maina Rambelo mianaka, satria nanomboka hifaoka Ramavo. Vehivavy vavaina sady be kirina ity Ramavo ity. Rahefa miteny izy somary miainga ny molony fisaka, misonasona ny vavorony, mikentrona ny handriny ary mandihy ny fanondrony.Miriatra toy ny zana –baratra ny feony. 26- Sabotsy 06 febroary 1971, IV lah 4428 - Impiry miady aman’ olona moa izy? Toa heveriny fa voninahitra izany mifandriro- bolo eny am-pivoriana. Milefitra eo anatrehany Rambelo vadiny. Menaka mora mitsonika rangahy, fa hainandro migaina kosa Ramavo. Isan’ ny nampirehareha an-dRamavo koa ny nampiroborobo ny varotra nataon’ izy mivady tao Antotohazo.Nihevi- tena ho komohina izy ka nampitovy laharana ny fianakaviany amin’ny ankohonan’ ireo vato nasondrotry ny tany. Tsy miresaka afa –tsy ny vola Ramatoabe.

Aminy, ny sahaza ny anarana hoe : “mpiara-monina tsongoin’ olom- bolo” dia izay manan- karena , izay manontany ny ory, izay mahihitra ny kitapom- bolany. Isaky ny mba mitafa izy, ny hitanisa ny fijalian’ny mpiofy akondro vava no imasoany. Tahaka ny voatavo ireny tsy manam- bariraiventy ireny, hoy izy, tanora voatsongotsongo, antitra, voatabataba tahaka ny tany an- kadilalana: fahavaratra paohin’ny riaka; ririnina paohin’ny rivotra; tahaka ny horona : tanora sakafon’ny omby, antitra sakafon’ny afo. Efa maro no nangataka an’i Nirina zanany, saingy nandrindrina ny varavarana, nony tsikariny ho vorombe kely atody. Tsy vitan’ izany fa notolorany pilina mangeroka, hany ka nihivingivina. Ilay iray mba tsaratsara bika izay nataony hoe: “ kitapo lasoa feno lavenonana” .Ilay faharoa vaventiventy nantsoiny hoe: “ vilanijabo poapoakaty”. Ny fahatelo efa zokiolona : “renikaty tandidomin’ny ramoretaka”. Ny nanekeny an- dRavalo dia noho izy mpiasam-panjakana tsara fivelomana. Kanjo, naetriny ho “ Ravalo maivan- kitsaka” indray, nony nahatazana goverinera izy. Rambelo kosa dia lehilahy mamy hoditra teo amin’ny mpiara – monina. Ny halemin- panahiny dia aza nanoharana azy tamin’ ny voromahailala.Ny tsy fitiavany ady sy fifamaliana no nahatonga azy ho resim- bavy. Raha nandova ny toetra-drainy samirery i Nirina dia ho Zanakondry bonaika,saingy nafindran’ny avonavona sy ny hasian- dRamavo ka manjary saka nanafin- koho. Nojokoin-dreniny isan’ andro vaky teny Razazavavy . Nampitomboiny avo roa toko ny fanaratsian ny raharahan’ny mpampianatra. Kely karama ny mpampianatra , hoy izy?Na dia ny profesora ambony aza, tsy mahazo vola toy ny goverinera madinika. Ry zareo tomponareo sady mandray fanomezana no botrabotran’ny kabaka. - Dia latsa- paka tao an- tsain’ i Nirina ny fahakelezan’ny vola raisin’ny mpampianatra. 27- Alatsinainy 08 febroary 1971,IV lah 4429 Tato aoriana dia izy indray no nanampy an- dRamavo . Be fahaizana ny mpampianatra fa kely vola, hoy izy. Toy ny voatavo izy ireny, ngeza mibotetaka amin’ny tany. Nandaitra ny leson - dRamavo ka nanjary vasoka teo anatrehan’ i Nirina Ravalo mpampianatra. Izaho Rahaingo no nahababo ny fony. Indray andro; raha namangy toy ny fanao ny mba hanamafy ny fatoram- pihavanana Ravalo, dia napoakan’ izy mianaka ny vanja. Vao nahatazana an- dRavalo izy mianaka dia namonjy nanakatona varavarambe, mody ny akoho no noroahiny, hafahafa ny teniny. - Ndeha mandeha any Ikalamavo maivan- kitsaka, hoy izy. - Nirina kosa nitranga teo ambaravaran-kely ka namitsoka hoe: Mbola tsy ampy anao anga ny tsy fahatongavako nifanerasera taminao nandritra ny tapa-bolana no mitonantonana aty indray? - Fa moa va nisy fikasana hampihemotrany raharahantsika ? hoy Ravalo. - Raharahantsika foana! Hoy Nirina , niketoka. Lehilahy tsy mataho- tody : Mampisaraka ny mpifankatia; - Tsy mazava amiko ny tianao ho lazaina hoy Ravalo. - Tsy mila izay ramose fa efa lasan- dRagovabe, hoy Nirina, sady niopoka izy no nakatrony mafy ny varavarankely. Nandraingiraingy toy ny akoho voakapoka Ravalo. Indry nitodi- doha niverina fa voatosi –boho – tanana. Fantany fa ibahanan’ny fitiavam – bola ny fon- janak’ olom- belona, ka mila tsy hana- toerana ao intsony ny fangorahana. Saiky fanina niakarapoka ny lehilahy.Henjana ihany ny foto- kininina ,fa miongotra izy rehefa mahery setra ny rivo –doza. Nisamboaravoara tao am – pony tao ny alahelo ka tsy voatanany intsony fa tsy maintsy natobany tety ivelany. Nanjary poety Ravalo: “ Mihamaivana ny fahoriana rahefa tantaraina amin’ olon- kafa” , hoy Racine.Nitady olon- kafa hanankinany ny tsiambaratelony Ravalo, saingy tsy nahita. Hany heriny dia

LXXX nindrana ny zava – boahary : ny masoandro madiva hisoka ka nisalotra jaky mivaivay; ny kitan- kely mitsilopy, toa mason- jaza te hatory ny volana misasak’ ila toa antsim- bilona volafotsy manjelatra ery amin’ iry karazan-dranomasina mihantona.

28- Talata 09 febroary 1971, IV lah 443 …Ny ahimaitso milenodenoka firiariavan’ny ombin –dRasoanaivo ny rian-drano mitafofoka eo ambony vatolampy, karazam- beso misaiky ny feo fa vazom- boronkely. Ny tsy nitovizan-dRavalo tamin’ i Lamartine dia ity: ireo poety frantsay nalahelo an’i Elvire, olon- tiany sy tia azy, fa Ravalo mahantra kosa, manin’ olon -tsy manina, mila aretin’ andoha . Natokan-dRavalo ho an’ izay manosihosy ny “dina” nifanovany ny vetsompony “ NY FITIAVANA” no notanisainy. Tsangan- kevitra voalohany : Sora –doko ny fitiavana ka samy mifidy izay tiany.Izany dia fanantenana ilay ohabolan- drazana hoe: tsy misy tsara tendren- kazo lava, tsy misy ratsy natao valan’ omby, fa izay tiana mitombo tarehy. Izany koa dia fiombonana amin’i Molière, izay nisaina hoe: “Tsinjo hatrany ny fandakafan’ ireo mpitovo izay nofidin’ny fony” . Izao kosa no tononkiran-dRavalo: Ny fitiavana dia sora –doko Ny tiana , lazaina ho goga Sitraka tsy mba mamin’ny foko Tsy mamiratra toa lamba soga Ny lazaina ho tsara eto an - tany Dia tebahina sy hanatsiana Dia’ zay t iana ho havana ihany Nefa sitraky ny hafa hitafiana

Tsangan- kevitra faharoa: soa ihany fa tsy mitovy ny fitivana,fa mahalany zara ny olombelona ny fitoviany Raha mitovy zareo ny fitia Hampahory fa hangasihasy Ka ny tsara aminao no ho tsara Na ny mena na volomparasy Hanahirana izany ,satria Olo- maro no ho lany zara Koa adala izay sahy mitafa Manaratsy ny sitraky ny hafa Raha ny maitso ka maitso hatrany ‘Zao ihany no zava- tazony No ho tian’ny mponina an – tany “Io irery no mamin’ny fony”

Tsangan- kevitra fahatelo: Tsy mba afo mandoro akory ny fitiavana araka ny fihevitry ny sasany azy. Mba hahamendrika azy amin’ izany anaran- tsara hoe “ fitiavana” izany dia tsy maintsy mamy toy ny tantely izy:

Ny fitiavana, tena fitiavana Azo adika ho “ fahasambarana” Tsy mba rano madio voatantavanan Fa ny vita Nahary mangarangarana

Tsy mba ngeza manempotra akory Ka akifika , na ho raràna Andriamanitra va hampahory Na hanolotra vato mafana

Ny fitiavana kanto dia mendrika Tsy mba mila voizina akory Fa raha sendra tafiotra mandrendrika Ny finoana no atao mpanamory.

Tsangan- kevitra fahaefatra: Ny mampihena ny hasin’ny fitiavana dia noho izy asian’ny olom-belona “laro” 29_Alarobia 10 febroary 1971, IV lah 4431 Ny fitiavana , kanto ka varo Ka tondrahana tsirom- karena Hita maso mihitsy ny tarany Tsy mitoetra ho fitiavana intsony Nefa kosa raha toa misy “laro” Fa manjary “fitiavana tena” Tsy fitiavana intsony no anarany Ny fitiavana asaina miampofo Ny fitiavana miana mamony Hatsaran eo ivelan’ny fony

LXXXI Dia manjary “fitiavana nofo” Mora miofo toa lamba matsora Fa tsy tena fitiavana intsony Dia hilaozany ilay nantenainy Nony simba ny andro sy ny ora Koa satria ‘zato nofo derainy

Tsangan- kevitra fahadimy: Tsy azo tambinana na soloina ny fitiavana Raha nihitsana teo ‘ lay oliva Tsy ho hain’ilay anankiray Ka ny sampany sisa jerena Ny ho velona irery eto an –tany Mampaninona moa izay Tritriva Na hanorina iroa tranolay Raha mamnjary ho fasan’ ny tena Nakodian’ny fasa- mavany

Tsy ho zakany koa ny hanolo, Handresena ilay hirifiry Ny fitiavana hoatry ny volo Raha hetezan mainka maniry

Ny fitiavana latsaka anaty Tsy mba simba , tsy mety ho lo Ary satry mihitsy ho faty Raha tsy hita ilay mamin’ny fo

Tsy mba firaka fatra – pivezika Fa manaja an’ izay niandohany Tsy mifidy , na fako na zezika Hirobonany sy hamakàny,

LXXXI

8/- Hisondro- miakatra hono : Vao nanaiky ny fangatahako i Nirina dia ny nanova ny fihetsiny sy ny fombany ho vazahazaha no nikelezako aina. Nasaiko notapahiny ny volony ary nariany ny lambany.Tsapako ho gasy loatra ny anarany ka novàko hoe: “Nirinah” ny reniny kosa nangolaiko tamin’ny hoe : “Maman Jaunie” (fandikana ara – bakiteny ny hoe Ramavo) 30_ Alakamisy 11 febroary 1971, IV lah 4432 Ny rainy nantsoiko hoe: “Papa Rambel”. Hatramin’ny vavonin’ izy mianakavy avy no nozariko sakafo vazahazaha.Nanariko mihitsy izy mianakavy tsy hihinam- bary ny maraina sy ny hariva, fa mba hizatra mofo sy dibera ary fromazy kosa. Tamin’ny voalohany dia sarotra mihitsy ny namolaka an’ i Papa Rambel.Isaky ny lasa, hono, aho ny hariva, , tsy tratra loarany an an-dakozia any am-pangoro mifantsifantsy efa nohandroiny mangina. Entina ao an –trano fihinanana koa ny hena kisoa sy Ravitoto, ka tsy maharitra Maman jaunie sy Nirina fa mbola mamango miaraka aminy koa .Indray alina izay, tratrako nihinana hena omby matavy sy ravimbomanga izy telo mianaka ka mafy ery ny nanjo azy. - Mbola lavitra ny Papanao ny sivilizasiona , hoy Maman Jaunie,sady nitsangana, toy ny tsy isan’ ireo mpihinana izy. - Mahery loatra ny fakampanahy ka saika voatariny izahay, hoy koa Nirinah. Matokia anefa ianao fa androany no farany hidiran’ny ravimbomanga eto an-tranonay. Poa … poa …; hoy indray Maman Jaunie. « Je serai sivilisée », sady nandrora izy. Izaho kosa tsy nampiseho fahatezerana – na dia somary vinitra anaty aza . Mody malemy paika ery aho teo am- pananarana azy hoe : « Zaro sakafo vazaha ny vavoninareo mba hahatonga anareo ho « olo- mandroso ».Hifanerasera amim- bazaha anie ianareo atsy ho atsy. Angaha tafiditra ao anatin’ny sakafon’ny olona moderna intsony ny hena kisoa sy anana gasy. Ny vodiahitrarivo no mankafy ireny.” Ny ranovola koa soloy divay mena. - Ka an’ isan’ny Vokovokomanga anie izahay anaka, hoy Maman Jaunie -Fikambananan’ny mpiasabe vonton’ anatra ny vokovokomanga, hoy aho. Mbola te hiverina tany amin’ny andron’Andrianampoinimerina ve ianareo no hankahala ny toaka? Mitaky zava-pisotro maherihery ny andro ankehitriny. Tsy hifanerasera amim-bazaha na oviana na oviana ianareo, raha mifady toaka. - Ampianaro sivilizasiona re izahay sombinaiko, hoy Maman Jaunie. Mba te hiala amin’ity maha- gasigasy ity anie ka hisondro-miakatra ho vazahazaha, saingy sintonin’ny ravitoto sy kaotiletan-kisoa hidina. - Hampianatra tokoa aho, hoy aho. Adidiko izany. Afaka iray volana monja dia ho afaka hifanerasera amim-bazaha ianareo.

31_ Zoma 12 febroary 1971, IV lah 4433 Isan-kariva no nampianariko sivilizasiona azy telo mianaka. Nanofako trano tao Angavo mantsy mantsy ry zareo, nony nanaiky ny fangatahako an’i Nirinah. Nasaiko namoha magazay lehibe izy hivarotany. Mba handrosoan’ny varony dia nilako vaniny ireo mpivarotra hafa. Nofafazako lamandy ny tsy nametraka etikety, ny tery trano fivarotana, ny manana entam-barotra misaritaka, ny tratra aoriana teo amin’ny fandoavana patanty. Be ny leo monina ka nifindra fonenana. Nisy bokan’ny sazy ka nanakatona ny trano fivarotany. Farany dia ny magazain-dry Papa Rambel sy ny Ndrembaliha sisa tafajoro. Mafy hatoka ity Ndrembaliha ity ka tsy nety nilefitra. Indray mandeha, norahonako hihinana dimy andro an-tranomaizina izy, satria tratrako nivarotra irony gazety politika mitaky fahaleovantenan’ny Madagasikara. - Hiditra am-ponja toy ireny koa aho, hoy izy, raha toa miara-miditra amiko ny tompon-gazety. Mpiandry omby volavita mantsy aho; tsy tompony fa mpamerin-doha. Niala maina aho, ka hany heriko dia namaly hoe: “izay rehetra mividy zavatra ao amin’i Ndrembaliha dia miray tetika aminy handroaka vazaha”. Ny marivo salosana sy ny saro- tahotra ary ny mpila ranondranony dia nifady tokoa ny tsenan’i Ndrembaliha .Ravalo sy ny tariny kosa vao mainka nikiribiby.

Nozaraiko telo ny lesona momba ny sivilisaziona , nampianariko an –dry Maman Jaunie: 1- Ny fahalalam- pomba ankapobeny 2- Ny dihy sy ny hira 3- Ny fahaizana teny baiko.Teo amin’ny fahalalam- pomba dia lesona pratika no nataoko Niara-nisakafo izahay, niara- namangy ny Admisy

LXXXII

32-Sabotsy 13 febroary 1971, IV lah 4434 Fa matetika manondrana any am -pivoriana Maman Jaunie. Raha niara- nisakafo tao amin’i Mose Sauvage izahay indray andro dia nisy zava- mahamenatra nasehony.Natsipin’i Nirinah teo ambony latabatra ity taolam- pifika iray ka “ hanky va re” hoy izy.Nahoana no ariana ity zava- tsara? “Dia notsiponiny ilay taolana malemy ka nezahiny nokikisana.Nanao baiko tanana taminy Nirinah, kanefa novaliany hoe : “ C’ est doux”. Nitsikitsiky fotsiny i Mose Sauvage. Izaho kosa tera-mena mbamin’ny ravin- tsofiko. Fa saiky tsy voatanako hankafy hira vazahazaha mihitsy i Papa Rambel.Tsinjoko mihifikifi- doha izy, raha vao nandre kapila vahiny.Ny tena tsy sitrany dia ny feo mangovitra: “ toy ny omby mitrena”,hono.Tsy nety resy tohika mihitsy izy, raha tsy nihenjana mafy i Maman Jaunie. - Mbola misy aina ny kalon-drazana toy ny “ Mandihiza Rahitsikitsika”, hoy izy. - Ka tsy mba hisondro – miakatra tahaka ny setroka izany ianao, hoy ny vavy fa hibotetaka amin’ ny tany toy ny voatavo? - Ny voatavo mavomavo fanao am- bilany,fa ny voandelaka manondro lanitra kosa andosirana mbamin’ny fofony. - Dia hitovy torosy ianareo ry Rainizafy kodelika mpamboly mandadiana. - Raha aetrinao ho tanavo aho, iza moa no tondroin’ny olona mototra, tsy ianareo mifanindran- dalana amiko? - Boka i Koto tsy leon’ny Kala, boka Ikala tsy leon’i Koto. Rahefa boka tsy maintsy misara – mianakavy. - Hay mivonon- kanafin-drano ny arosy. - Satria tsy te- hitsoka rano tambiazina. - Dia ny fitiavako hira gasigasy và no handaozanao ahy. - Ka ianao anie tsy mety misondro- miakatra. - Tsy foiko tsinona ny fanonjanonjan’ny “ afindrafindrao”. Sady nitsangana Rambelo no nisioka ity feon- kira maminy. Ny tongony makà bà, ny tanany milantsika .Tamin’ izay indrindra no niditra tampoka aho.Trà tehaka ny tanavo, hoy ny vavy, sady nihoraka izy. - Izaho angaha niventy hira gasy tsy nikasa handika ny tonon’ny “ Afindrafindrao” ho teny frantsay, hoy ny lahy , namonjy nitombina teo ambony seza. - Ka ahoana no nandikanao azy? Hoy aho - Ara- bakiteny be izao, hoy izy.Nataoko hoe : “ déplacez,déplacez” (afindrao, afindrao) 33- Alatsinainy 15 febroary 1971, IV lah 4435 Lokin’ny hehy izahay sy Maman Jaunie Aza disoina izy anaka hoy Maman, izay no mba karazan- tohatra HISONTROTANY MIAKATRA Ny Laicité Ny hampidaraboka an- dRavalo no nimasoanay sy Mose Sauvage. Izaho nentanin’ny fialonana, ireo vazaha kosa mbola nankamamy ny fanjanahantany. Noho Ravalo mpampianatra amin’ny sekolim- bahoaka,dia mazana izy no mamory ny ray aman – dreny hanazavana amin’ izy ireo ny antsoina hoe: “ Laicité” ( tsy fihilanana amin’ny antoko m- pinoana). -Ny sekolim- bahoaka dia “laique”, hoy izy.Tsy mampiana – pinoana izy. Tsy jereny izay maha - katolika na maha- protestanta ny olona iray.Tsy adidiny ny hitaona ny mpanompo sampy hivadi- pinoana.Ny tarigetrany dia ny handresy habadoana, ny hampakatra ny fari- pahaizan’ny valalabemandry. Nohararaotiko izany laicité nideraderain-dRavalo izany ho enti – mandetika azy.Naeliko ho ren’ny vahoaka fa ny olona laique da manenjim- pivavahana. “Aza haiditra amin’ ireny sekoly laique ireny ny zanakareo, hoy aho. Mihataka amin’ Andriamanitra ireny” Nandosiran’ireo fohy fisainana Ravalo ka nipiaka helika aho .Notaomiko hanorina sekoly mivavaka ny vahoaka.Vola ve no mahaory anay.Nanolotra roa alina farantsa i Mose Sauvage. Dia nirona tamin’ ireo mpihatsaravelatsihy ny fon’ny maro.Ankoatran- dRavalo anefa dia nisy koa olom- bitsy nahatakatakatra ny tetikay sy Mose Sauvage .Tsy iza akory ireo fa i Ndrembaliha sy ny tariny ..Nahavatra namangy isan- tokantrano mihitsy izy mba hanazava ny saim- bahoaka.

-Ry Mose Sauvage sy Rahaingo ve no heverinareo fa mpivavaka? Hoy izy. Ny vavany foana no midera ilay Nahary, fa ny fony kosa manalavitra Azy. -Ianareo kosa anie hono, tsy tia ny “ Sekoly mivavaka e!” hoy ny Tantsaha sasany;

LXXXIII

-Asandratray tokoa ilay fanolorona an’i “Madagasikara ho an’ i Kristy” hoy Ndrembaliha.Fa ny fenitra tratrarinay dia ny hanomana fahalalana ny olona hisafidy izay antokom- pinoana tiany. Fanajana ny zon’ ny tsirairay avy izany, fa tsy fanoherana An’ Andriamanitra akory. -Ary nahoana moa ianareo no manaratsy an’i Mose Sauvage sy Rahaingo. 34_ talata 16 febroary 1971, IV lah 4436 Tsy manaratsy azy izahay, fa milaza kosa ny fahadisoan’ny zava –bitany. Ny manaratsy dia manendrikendrika, volamena no setry ho tavilotra. Ny mitanisa ny tsy mety kosa dia fitsanganana ho vavolombelon’ny fahamarinana.Raha tena tia ny fiangonana ianao, na ny firenena, tsy maintsy aposakao ny tsi- fahombiazana hita eo amin’ny mpitondra azy, mba ahazoan’ izy ireo manova ny famindrany. - Ka hihaino anareo va ry Rahaigo? - Olon- kendry azo totoana anie izy ireo e! - Na niezaka nandrehitra jiro tao anaty haizina aza anefa ry Ndrembaliha sy ny namany, olona azo isaina no atsilony. Ny maro dia nivarilavo. - Atody ve haninana ny vato, hoy ny sasany. - Nahoana anefa isika no hanohitra vazaha, kanefa fanjaitra iray aza tsy vitantsika?hoy ny fohy fisainana. - Fa vetivety foana dia voatsangana ilay sekoly vaovao nentinay naninana ny sekolim- bahoaka niadidin – dRavalo. Sekoly tsy an’ny Fanjakana izy ity, kanefa nampiasaiko hanorenana azy ny fitaovam – panjakana.Notereko hihady fototra sy handatsa- biriky ny vatan-dehilahy mpandoa karatra.Norahonako“ dimy andro an- tranomaizina izay tsy nahavita ny anjara asany.Nobitsihiko mangina Rainivelo hanaratsy ny “laicité” eo imasom- bahoaka.Ny mpila ranondranony toa an-dry Rainivelo foana ve?Kabary voaravaka hain- teny sy ohabolana no nampiasainy ka naharikoriko ny besinimaro. - Efa nabaribarin’ny Sefo tamintsika, hoy izy ry Ambanilanitra, hoy izy ,fa ny laicité dia fihatahana amin’ Andriamanitra.Raha izany, nahoana isika no hitono - tena toa lolofotsy? Sao dia vorom- bazaha mitelim-bitsika lahy ka ny vilany sisa sasàna? Sao lahiantitra kendam-bodiakoho, nahazo fanajana vao mivadi-boamaso? Sao dia banga nihinan-kitoza, tsirony no notadiavina ka ivy no tombom-barotra? Sao dia ilay naka rivotra tany Mandridrano, takolaka niroraka no nantenaina, kanjo atodintazo no nentina nody. Ny pedagozian-dRabefilatro Volana vitsivitsy monja no nifofotra ny fokonolona dia vita kalamina ilay sekolinay. Napetraky Mose Sauvage tamiko ny andraikitra momba ny fanokafana azy. Indray andro maninjitra izahay mbamin- dry Rainivelo nitady izay ho anaran’ity sekoly vaovao ity foana. 35_ Alarobia 17 febroary 1971, IV lah 4437 Lanjan’akotry avokoa na ny sain’ity Rainivelo ity na ny fahendreny. Tononiny daholo izao anarana hitsin’ny vavany rehetra izao. Nasesiny aloha ny voninkazo: “Sekoly mafikely, sekoly dalia”. Notanisainy indray ny vorona: “Sekoly tsikirity, sekoly fodilahimena”. Tsy takany fa ny anaran-tsekoly anie ka tokony hifandray tendro amin’ny fanabeazana sy ny fitiavan- tanindrazana. Na izaho koa aza anefa tsy nahatsapa izany. Vao nohasohasoin-dry zareo notabla aho dia nanaiky an-jamba ny heviny. Hoy ny anankiray tamin’izy ireo. “Andeha hatao grefy ny anaran’ny Mose Sauvage sy Ragova, satria izy ireo no vy nahitana sy angady nananana. Ny sekoly dia hampitondraina ny anarana hoe: “Saingona”. Natomboka amin’ny litera: S, izany ho fanajana an’i Mose Sauvage. Noravahana tapa-teny hooe: “aingo”; ho fanomezam-boninahitra an’i Mose Rahaingo. Nirefodrefotra ny tehaka “Ho ela velona anie ny sekoly Saigona” hoy ny akoralava. Nitsangana indray Rainivelo hanampy teny: Ny sekolintsika tsy mba kaozatry ny laisité toa ny an-dRavalo, fa saingona sady botrabotra, noho ny fiankinany amin’ilay Nahary izao rehetra izao. Vao mainka nitombo ny antsoantso sy tabataba. Fa taty ivelany dia be no dangin’ny hehy, raha nipaka tao an-tsofiny ny anarana hoe: “Sekoly Saingona”. Nifamaly saika hifamely totohondry i Beravony sy Kotomanga. - Raha tsy hotely gasy leity ka ampitondraina ny anarana hoe “Saingona”, hoy Beravony. - Akombony ny vavan’ialahy fa tsy misy fantatr’ialahy ny momba izany, hoy i Kotomanga. - Ialahy no maivan-tsaina, hoy Beravony, hany ka bibilava mamelon-tsoratra avy no asondrotr’ialahy ho “amalona”. Ny omby mifahin’Ambatomanga leity no lazaina ho “Saingona” fa tsy ny sekoly à! - Mpomba an-dry Ravalo izany ialahy? - Eny, satria tsy afa-mitaha amin’ny sekoliny ny sekolinareo. Iza anefa no ho mpampianatra amin’izato “Sekoly Saingona”?

LXXXIV

- Mose Rabefilatro. - Ilay rendrany foana toy sakan’i Paritra iry ve? - Fa ialahy ve mba manana diplaoma noaviavy fiteny e? - Inona koa no mba fantatr’i Befilatro. Zanak’i Rainitavibofo sy Rangorimavo avy eny Mangidivoanjo iny. Tsy nandia fianarana ambony akory ny adala. 36- Alakamisy 18 febroary 1971, IV fah 4438 -Na zanaky Rainitavibofo aza leity, tsy maintsy omena toerana rahefa tian’i Mose Sauvage a! - -Ka nahoana ialahy raha mba omeny toerana, nefa mpanompo mahatoky. Ialahy no asainy manery ny tambanivohitra hamory akoho sy atody. Ialahy no mpanodina lohan-jazavavy ho tia azy. Nanainga ny sandriny handroaka i Kotomanga fa feno ny fony. Nisinda haingana kosa i Beravony, nony tsikariny ho nindrana ny lokon’ny angivy masaka ny ravintsofin’iroa resy lahatra. Fa iza moa ity Rabefilatro ity, nolazain’i Kotomanga fa hiandraikitra ny fampianarana ao amin’ny Sekoly Saingona? Injay izy: tovolahy tsy maty am-bavany, manao azy ho zavatra, nefa raha fakafakaina dia tsimparifary manetry ny lozan’ny fararano. Tsy miala kitapo hoditra tsara ny lehilahy. Moa va tsy ny solombavambahoaka hanatri-pivoriana no fijery azy? Raha mamindra izy, ny lohany somary miandrana, ny sorony somary mandihindihy. Kilasy voalohany tany amin’ny sekolim-bahoaka izy dia niala. Naeliny tamin’ny vahoaka fa nampianan-tena ka tratrany ny fari-pahaizana ambony.Ny marina anefa dia izao: mba ahazoany miseho imasom-bahoaka dia nataony tsianjery ny teny baiko sasantsasany noraketiny an-tsaina izay sampam-pahalalana be mpilaza indrindra.Raha miresaka literatiora ianao, mba kinga ery ny vavany mitanisa an’i Le Cid n’i Corneille. Kanefa dia io ihany no mba fantany. Raha vao miitatra any amin’ny taon-jato fahavaloambinifolo ny famakafakan-kevitra dia manao fialan’ny Jiosy Ingahy Rabefilatro. Eo amin’ny “psychologie” dia ny fandinihan-tena no mba hany fantany. Mba nitoriteny Rabefilatro indray mandeha ka hoy izy:"ry mpatory am-piangonana o! manao introspection ao anaty torimasonareo ao va ianareo?” Eo amin’ny Morale indray dia ny “sanction” no mahasarika azy, ary ny “loi du talion” manao hoe: “nify iray misolo nify iray” no hainy tsianjery. Teo am-pamangiana manjo aza indray andro, sahiny ny nanohatra ny voina mihatra ho sanction. Tera-bao mantsy ilay olona maty anaka ka hoy Rabefilatro: “mahazakà ny onjany fa loi du talion izao é, zaza iray misolo zaza iray! Rabefilatro ary no nofidinay hampianatra ao amin’ny Sekoly Saingona. Raha azony natao ny nanao dabolatsaka teo imasom-bahoaka dia ho nataony tokoa, saingy mba voafantsiky ny henatra ihany ny tongony. 37_Zoma 19 febroary 1971, IV lah 4439 Izay izy tsy an-tany tsy am-parafara sady venjivenjin’olona iny no mba misy mpanakarama. I Ndrembaliha mpivarotra aza manana C.E.S.D tsy misy mpanontany. Nirohotra nankao amin’ny Sekoly Saingona daholo ny ankabeazan’ny mpianatra. Vitsy dia vitsy sisa niaritra tao amin-dRavalo. Notaominay handray anjara tao na mpitandrina na pretra. Nisy niahotrahotra ihany tamin’izy ireo. Hoy ny anankiray: - Tsara dia tsara Ragova izao fitaizana ny zaza ara-panahy izao raha toa tena latsapaka ao an- tsainareo ny hanolorana azy ho an’Andriamanitra, fa tsy ho fisehoana ivelany, ho enti-maninana ny hafa fotsiny. Saino koa fa tsy zaza ihany anie akory no ilaina hanompo an’Andriamanitra, fa ianareo mpitaiza indrindra è! Tsy mety raha ny zaza terenareo hivavaka, kanefa ianareo mitaky hetra andro sabata. Nahatezitra ahy izany teny manindrona izany, ka taty aoriana dia nesoriko daholo ireo mpitondra fivavahana roa tonta ireo. Rabefilatro no nasaiko nitarika ny fotoam-pivavahana sy nampianatra soratra masina ny ankizy. Matetika hono izy ao an-tsekoly no manao hoe: “ Ny olona ambony diplaoma toa anay rankizy tsy dia mahay mivavaka firy, ka aoka ianareo ihany no mitari-bavaka” Tezitra aho mahare izany, kanefa iza moa no azoko hasolo an-dRabefilatro. Tsy mbola nananana ny angalisa ka nionona tamin’ny basin’ariary fitotsy tian’ny mpanana, nefa tsy takatry ny malahelo aho. Fa elabe tany aoriana vao henoko ny tsy fahombiazan’ny fampianaran-dRabefilatro. Tamin’ny fanombohana anefa dia nidera tena ho nandalina pedagozia vaovao izy, hany ka velom-bolo ery izahay. Hay resaka fotsiny izany. Saiky mahatsikaiky avokoa ny fomba fampianarany. Hoy izy raha mampianatra ny litera “a” ity no zana-tsoratra “a” tsy misy kibony fa be lamosina, boribory mikodia, misy filirony kely eo ambany. Raha manazava lesona Ingahy ka mananga-tanana hilaza ny heviny ny mpianatra, dia tezitra izy ka mamonjy mipetraka eo ambony sezabe. Mahavatra midongy eo mandritry ny adiny iray izy, tsy miteny tsy mivolana. Izy daholo no manao ny zava-drehetra, fa ny mpianatra kosa dia mitanatana vava toy ny akohokely tsipazam-potsimbary fotsiny. Namorona lalàna enjana hoenti-mifehy ny mpianany Ingahy Rabe.

LXXXV

38_ Sabotsy 20 febroary 1971, IV lah 4440 Izay fanasaziana gadralava mba roa. Ny mpianatra tsy mahay lesona dia manao“seza rivotra”, sady miloloha biriky telo mifanongoa. Ny tsy mahavita devoara dia asainy milona ao anaty koveta misy rano mamanala. Lalina ny fijalian’ny ankizy amin’ny ati-ririnina. Be ny ray aman-dreny te hanala ny zanany, saingy matahotra ahy sy Mose Sauvage. Nisy nitaraina tamin-dRabefilatro fa novaliany an’avona hoe “ndeha mitory”. Ka hitory aiza moa iretsy mpamboly mandadiana mahantra? Mankany amin’ny Mose Sauvage treroniny hoe: “ izay mitady handroaka anay vazaha hiala eto, aoka hampianatra ny zanany any amin- dRavalo.” Manatona ahy indray, lakamoiko amin’ny hoe: “Ny sekoly mpanohitra an’Andriamanitra indray izany no sitrakareo?” Dia niaritra ny PEDAGOZIAN- DRABEFILATRO iretsy mpianatra mahantra. 11- Sakaizan’ny tantsaha Ny hevitray sy Mose Sauvage dia ny hampangidy hoditra an-dRavalo amin’ny mpiara- monina. Kanefa tanteraka và izany? Tsy ny hosoran-tsakay no mangeroka, na ny rakofan-tantely no mamy, fa ny atao ihany no mampanan-doza ny olona. Be no nirohotra nanaraka anay, saingy an-tendro-molotra ihany. Ny fony napetrany lavitra dia lavitra. Tahotra ny tranomaizina no antony nanatevenany ny Sekoly Saingona. Nataony toy ny vazy kristaly izahay ka nigaingaina mbola hareza. Ravalo no nambabo ny fony. Ravalo no tsy afaka am-bavany any amin’ny takona. Tena nifampiosina tamin-dry zareo vodiahitrarivo mantsy ity Ravalo ity. Teteziny daholo izao tranom-bahoaka rehetra izao. Tongany hatramin’ny lalana indroa mahamasa-bary manodidina. Lazainy fa manatontosa ny “ fifampikasoan’ny ray aman-dreny sy ny mpampianatra” izy amin’izany. Ny marina anefa dia ny hitondra fanilo hanazava ireo maizin-tsaina, izay no fenitra tratrariny.

Hararaotiny ireny famangiana ireny hamelabelarany ny ekonomia, ny politika, ny fanatsarana ny fiainan’ny tantsaha, ny siansa tsotra sahaza ny besinimaro. Tantarainy eo ny firoboroboan’ireo tany mahaleotena sy ny fahavoazan’ireo mbola ao ambany ziogan’ny fanjanahantany. Vita izany dia mamory ireo olon-dehibe tsy mahay mamaky teny izy ka mampianatra azy. 39_ Alatsinainy 22 febroary 1971, IV lah 4441 Avy eo dia mitsabo amin’ny fomba tsotra ireo tsy salamalama: mizara kininina; manome “aspro” ireo mitaraina aretin’andoha; manao pansement ny ratra; manindrona aza indraindray. Alohan’ny hodiana dia mihinana saonjo ramandady amin’ireo tambanivohitra, miara-manao fanorona amin’ireo ela nihetezana ka lava volo. Toy inona moa ny hafalian-dry Rainibozimavo sy ny namany, rahefa tonga mifanakalo hevitra amin’ity Ramose “SAKAIZAN’NY TANTSAHA.” Izany angaha no “ sekolin’ny ray aman-dreny” niorina voalohany indrinddra tany Vonizongo. Tsidiho an’eritreritra ange. Eo an-tokotanibe manoloana ny fahitra no maka toerana ireo mpianatra vaventy. Ny sasany misaro-bava amin’ny jiafotsy madini-pahana ka raha tsy handrora kisoka mahery laro izy tsy tsipolotra ny saokany anirian’ny volombava matsilotsilo. Ny hafa kosa sady mihaino lesona no mivaofy mangahazo hatao slodena ny ampitso maraina. Efa miomana haka ny fiketrahany ny volana misarak’ila amin’izany fotoana izany. Manotrona azy ny kitankely manjopiaka sy ny fanalany arivoarivo. Indro manantona Ramose mpampianatra. Tsy mba nanava-tena tamin’ny bolozy fotsy izy, fa nanao izay hifanantona kosa amin’iretsy mpamboly mandadiana, ka fitafiana matro-bolo no teny an-kodiny. Manomboka amin’ny tafa feno vazivazy ny fampianarana: -Ramose Ravalo: Nahoana no avelanareo ho lava volo ny tanimboly atsy atsimom-bohitra Rainibozy à! Efa voky ve ianareo no mandrora gira, sa malai-mihetsika nony mahatsikaritra ny be ao an- tsopitra è? -Rainibozimavo : Misy vazimba io tany io Ramose ka tsy laitram- pangady à! -Ramose Ravalo: Injay indray ilay finoanoam- poana : Iza anefa izato nanombok’ asa tao ka niharan’ izany? - Rainibozimavo:Ilay mpanao hitsak’ andro eny Ambohimanarina antsoina hoe: Rainibango no nanao teny tsy misorona taminay kan … -Ramose Ravalo: Fa moa Rainibango efa nahita vazimba sa niara- belona tamin’ny vazimba. -Rainibozimavo: Lovantsofina fotsiny no renay kan -Ramose Ravalo: Nahoana ary ny vazimba no dokafanareo ho manan- kery kanefa fony velona nataon’ Andriamanelo lany ripaka. 40 – Talata 23 febroary 1971, IV lah 4442 -Rabezaka (nitsatsaingoka) : Efa maty anie izy vao nanan- kasina e!

LXXXVI

-Ramose Ravalo: Ka nahoana no ambakain’ ireny vazimba kely loha ireny ny razanareo? Mba omeo hasina koa ny raibenareo efa maty, varo- jabo an- tsena io ka samy manandratra ny azy; (Tsy nahateny Rabezaka fa nisafo sirana fotsiny ). -Reningory: Ianao ity lahy sahisahy foana manevateva ny hasin’ny vazimba -Ramose Ravalo: Nahoana ary aho no nitondra henan- kisoa taroa am- patsakana, teo amin’ ilay vato hasininareo isaky ny tsinam- bolana , nefa hatramin’ izao mbola tsy niolan- katoka? -Reningory: Ka ianao tsinona manao fihetsi- bazaha hany ka tsy laitram- bazimba kan… -Ramose Ravalo:Hay mataho- bazaha ny vazimban-dreningory? Izao no marimarina : ny antony hampitahoran-dry zareo fetsilahy vazimba anareo dia mba hahazoany maimaim- poana ny taninareo.Voleny io tany tsy sahinareo trandrahina io ka nony taominy avy ao ny vokatra mahafeno sarety, izay ianareo vao mahatsiaro saina. - Rainibozimavo: Toa misy marina toa ho’ aho izany hevitr’i Ramose izany è! Hafa ihany ny olona nahita fianarana. -Renibozy: Mangina ianao rainy à! Ianao no tsy mino maty raha tsy avy nandevina. Hadinonao angaha fa nanitsa- tany misy vazimba no nahafaty ny zanak’ anabavin-dRainivelo mpiadidy? -Rainibozimavo: Mosavy iny rafotsy fa tsy tolaky ny vazimba akory a! Nosafoin’ny Zafikelin- dRainibango ny kibony dia nizihitra. -Ramose Ravalo: Tsy marina izany. Fantatro tsara fa hanina tsy levona no niteraka aretina ho an’ iny zaza iny ka nitarika fahafatesana ho azy. -Rainibizomavo: Vaky am- batolampy ny laingan-dRafotsy. - Ramose Ravalo: Ny mosavy miditra am- bava dia poizina manala aina .Ny mosavy ivelany kosa dia enti- mampihorohoro ny kely saina fotsiny, isan’ ireny ny fahajambana.Tsy ny mpamosavy velively no mahay manamaizina ny andro fa ny tahotra ao anatinareo no manajamba ny masonareo sady manao parapaingo ny tongotrareo. Nahoana ary aho no tsy mba sahin’ny mpamosavy sakanana, nefa eo amin’ny lohatory vao tody an- trano. Izy rehetra; Ianao kosa ambony karazana kan… -Ramose Ravalo: Hay rahefa ambony karazana dia maharesy mpamosavy ! Misondrota ary eny ambony ondana fa aza mitsivalam- pandry eny an –tongotra . 41-Alarobia 24 febroary 1971, IV lah 4443 Ny lamba maintin’ny alina nirotsaka tery an –dembalemba moana no nanapaka ilay fampianaana natao tao ankalamanjana; 12 Ravalo mpanao politika Rahefa nolavin’i Nirina Ravalo dia ny hanolotra ny vainafom- panantenany amin’ny lavenon’ny fanadinoana no be tao an- tsainy.Tsy namaka tao am- pony velively ny fikasana hamono tena na hiafina ny tavan’ilay tiany nefa tsy tia azy. -Tsy tiany aho, hoy ny eritreriny, ampy izay. Tsy azo terena hamololona eny an- tapom- tanety, toy ny avoko, ny lisin- jaridaina. Navalon- dRavalo aloha ny fikasana haka taolan- tehezana . Ny hisondro miakatra amin’ny alalan’ny fampianaran- tena no nimasoany. Nozarainy telo ny karamany : ny voalohany namidiny boky; ny faharoa nentiny nitsinjo ireo Tantsaha sahiram- pivelomana; ny fahatelo natokany ho amin’ ny fiahian- tena.Tsidiho anie itsy tranony somary ntaolo miorina etsy alahamadimbohitra itsy, rahefa madiva hirotsaka ny aizin’ ny alina ka nandray ny fiketrahany ery amin’ny lanitra manjepizepy ny volany misasak’ ila. Aza manao haody satria sondriana loatra ny tompon – trano ka tsy hamaly “haodiana” anao. Atoseho moramora iroa varavarana mikaton’ ila. Midira moramora ka asaivo mikarenjy eran’ny lafin- drindrina ny masonao.Boky no ravaky ny efitra.Tsy ampolony fa anjatony maro, mananika ny arivo.Boky gasy,frantsay ,anglisy , espaniola .Indro manoloana ny latabatra boribory kely iray ny tompony. Kely sahala amin’ iroa fanaka atrehiny ny vatan’ itsy tovolahy .Ny lohany anefa makadiry. Efa menan’ny fiaretan- tory ny masony, nefa mbola milozoka amin’ ny fandinihana boky ihany izy. Nony mahatsiaro faharerahana izy dia mamonjy mandray kafitera iray mihamikamina eo ankaviany, ka mampidina kafe mahery ho sotroiny. Io tovolahy kelilely ray io no Ravalo. Ahatsiarovana an’i Balzac niari – tory teo am- panoratana an’ i Père Gariot izato faherezany misotro kafe. 42 – Alakamisy 25 febroary 1971, IV lah 4444 Hatony Andriamatoa fa hiresaka aminao izy, na dia sahirana aza.Atsangano ny fanontanianao ho valiany. - Inona moa tompoko no mahatonga anao lali-maso sy hatsatra toy izao? - Ny fandalinam- pahaizana tompoko. -Fa misy fanadinana hatrehinao angaha? -Na tsy misy aza, harafesenina ny vy tsy miasa.Mba noana toy ny vatana ihany koa ny saina fa tsy mahazo sakafo sahaza aza.

LXXXVII

- Ary toa boky politika misahana politika ity mivelatra eo ambany masonao. -Satria tsy maintsy hianarana koa ny politika fa tsy ataotao foana. Ny mpanao politika iray ratsy famindra ka solafaka no manetry ny firenena iray nipoirany. -Fa tsy ampy akory ny maha voafidim- bahoaka ny tena? - Izay mianina amin’ izany fotsiny dia tsy manan- tsaina afa – tsy ny hameno ny paosiny. Tokony himasoana izany ny fandalinana ireo politika voarakitra am- boky? -Tsy ampy koa izany, tsy maintsy fantarina ny hetahetam- bahoaka, fakafakaina ny mahatonga ny fahantran’ny valalabemandry, arahi- maso ny fisiana na tsy fisian’ny risim- pom – bahoaka. -Anareo samirery izany politika izany fa izahay avelao hitoetra toy ny lamban’ny mpiasa. - Izay no aretina ilàna fanafana. Mandà tsy hiroso eo amin’ny sahan’ny politika isika, kanefa bemenomenona rehefa mahatsikaritra tsy fahombiazam- pirenena. -Avela aloha mba ho mpanan- karena vao miroso eo amin’ny sehatry ny politika .Raha voarohy eo anie ka ny kiho no ho raisina. Ny vady aman- janaka indray no hihary, fa ny tena hitomoe- poana any an- tranomaizina. - Ka hiandry an’ izany ireo voan’ny tsindry hazo lena mila vony isan’ andro vaky .Hiandry an’ izany ny maro anaka, tsy manana saram- pianarana ka maniry ny hampitomboana isa ny sekoly tsy andovam- bola . Hiandry an’ izany ny Tantsaha te hampitombo ny toe- karena , kanefa tsy ampy fitaovana. - Ratsy faneno ao an- tsofin’ny valalabemandry anie ity teny hoe “ politika” ity è!

13- Akanin’ny firahalahiana 44_Sabotsy 27 fbroary 1971, IV lah 4446 Hay koa ve, hoy ny eritreritro misy vazaha sahy mampirisika ny Malagasy hitaky ny fahaleovantenany. Teo amin’i Ndrembaliha no nataon-dry zareo foiben’ ilay fikambanana. Nanana trano lavalava fanatobiany entana izay mantsy ileio. Namboarin-dry zareo mpikambana amin’ny “HT” io ka nanjary nanana endrika nanintona .Ravalo sy Ndrembaliha no niantoka ny lany rehetra. Ny mpikambana hafa kosa, nampiasa ny kiriny sy ny herim-pony ary ny fitiavan- tanidrazany, hampijoro iroa akanin’ny firahalahiana. Meteza hiaraka amiko ianao hitsirika ny atin’ny trano sy izay raketiny.Voa tafiditra ny tokonana ianao dia hahatsipalotra soratra mibaribary: “ Ny Fanahy no olona ”, hoy ny eroa amin’ny lafin –drindrina havia: “ Madagasikara ho an’ny Malagasy’ , hoy ny atsy ankavanana. Ny fanaka dia tsy misy avy any ivelany , fa taozavatr’ Ambositra avokoa . Tsihy hisatra madio tsara tenona no solon-gorodona.Seza vita tamin’ny rindra henjana, latabatra voaravaka sary sikotra, izany no miarahaba anao tonga soa aman- tsara. Dia arotsahy ao koa hanampy ho erany ny hasoan’ ity trano ity ireo sary isan- karazany natao tamin’ny tandroka; ireo hosodoko mampiseho ny farihin’ i Tritriva , nitsapan-dRabeniony sy Ravolahanta ny halalin’ny fitiavana, ny havoanan’ Ambohimanga mielo amontana sy alampona , ny tendron’ i Vohiparara, mavamavana manainga vetso. Indro misy tovolahy sariadriaka manatona anao,.izy no Ndrembaliha. -Inona no fandaharam- potoananareo anio alatsinainy tompoko? - “Fanabeazam- boho ny zava- kanto malagasy”, Tompokolahy. Eo amin’ny maizimbavavilany eo no fanombohana. - Inona avy no hataonareo amin’ izany ? - Manazava ohabolana tranainy ireo ela nihetezana ka lava volo. Fohaziny ireo vakoka fandala : fomba fanajana nahasarotiny ny Ntaolo, fitandroana ny fihavanana, dinam- pokonolona. Kaloiny eo ireo hira navalon’ny ela: firariana, an- goatenda, vazo sasy.Iangaliany ao ireo hainteny mirindra sy kabary ifamaliana. Andriamatoa Ravalo kosa manazava sy mandika ary mamakafaka ireo lahatsoratra vahiny soa halain- tahaka.

45_ Alatsinainy 01 marsa 1971, IV lah 4447 Borahiny aminay ny mahatsara ny asan’i corneille, Racine, Balzac ,.. Ampitahainy amin’izany ny vitan- dry Rabearivelo; Ny Avana ; Dondavitra . Manamarika ny efa tratra, ny efa nihoarana ary ny mbola tsy tratra izy. - Misy vokatsoa aminareo tantsaha ve izany? - Misy tokoa.Voahitsy mantsy ilay saina mpanao rapa –dango.

- Maro be ny olona tsy afa- mifantina ny boky; ny lahatsoratra, ny sarimihetsika, ny tantara miroso eo anoloany, fa avy hatrany dia manao telimoka .Ny ankabeazany aza vao maheno hoe “vazaha” no nanorina ilay zava – kanto dia resy ambony sahady. Dokafany ery irony tantara manindraindra ny filan’ny nofo, mitanisa halatra sy vono olona, midera ny hakingan’ny jiolahy.

LXXXVIII

Raha afa- manao fanakianana ireny tantara ireny , manana fitsipi- pitondran- tena mirefarefa amin’ny tany ireny anefa ny valalatsy mandadiharona tsy maintsy ho leo monina ireo mpamorona sy mpanoratra azy. - Inona indray ary no hiseho eto amin’ ny akany ramhapitso Talata.? - Famelabelarana tsangan- kevitra iray. Ingahy Ravelojaona Mpitandrina no nafaranay avy any Antananarivo hivaofy ny lohateny hoe: “ Ny sasantsasany amin’ ireo vato asakantsika ny fandrosoantsika” . Ny alarobia kosa dia fampianarana iandreketan’ Andriamatoa Ravalo: fampianarana mamaky teny , miteny frantsay tsotsotra: fampianarana politika , fampianarana miady hevitra . Matetika mantsy misy olona manana ny marina, saingy tsy mahay manazava ny heviny, hany ka mandefi- mana – mahitsy .Be koa no manao hevi- bontolo. -Sahy hifandahatra amin- dry Mose sauvage sy Rahaingo goverinera izany ianareo? - Sahy milaza ny hevitray izahay ary sahy manohitra ny didiko fe lehibe ataony, fa kanosa kosa izahay raha manohitra ny marina tanisainy. Ny alakamisy sy Zoma dia “fanomezana lesona pratika ny Tantsaha” .Atoro azy ny fanamboaran- tsakafo, ny fitaizam- pahasalamana, ny fanadiovam- panaka sy fitafiana. - Amin’ izany fanaboaran- tsakafo izany, moa manandrana karazan- tsakafo ianareo? -Eny tompoko.Ny mahatonga anay hianina amin’ny vary be menaka fotsiny sy ny hena matavy anie dia noho ny fiangaranareo Tambonivohitra . 46-Talata 01 marsa 1971, IV lah 4448 Raha misy fianarana , ny hasoan- kanina rehetra atokanareo ho anareo mpanandra- tena ho “olo- mihaja”, fa ny vary sy ny hena manadrikandrina kosa no arosonareo ho anay aroa alatrano, ao anaty trano taretra.Tsy hitanay izay maha foto – kevitra sosialista an’ izany. - Ka tsy zatra ireny karazan- kanina ireny anie ny vavoninareo è! -Tsy nozarina izy matoa tsy zatra.Mitovy ihany ny vavonintsika fa tsy misy vavony sivilize sy vavony tanavo. Ny asabotsy dia fialam- boly sy fanitaran- tsaina amin’ny alalan’ny sary mihetsika sy ny fampisehoana ambony lampihazo. Mandrakariva mantsy dia ianareo ao an- drenivohitra ao no voky ireny sakafon- tsaina ireny, fa izahay Tantsaha kosa mitofezaky ny habadoana.Raha mba izahay no mahita matetika ny fampisehoana ireny tantara mirakitra herim-po sy fitiavan- tanindrazana ireny, raha mba izahay no mahatsinjo ny fihetsiky ny firenena hendry mba hanilika ny fanjanahantany sy ny fanjanahan-tsaina, marina izahay raha hianona fotsiny amin’ny hoe: “ matoritoria fa hanaterako hena”; Noho izahay tsy mba manatrika fampisehoana manita – tsaina, dia voagadran’ny fahazarana sy ny hakanosana ny tenanany. Be ny mivolana hoe: “ efa zatra notantanim- bazaha isika ka atao inona indray izay fahaleovantena”. Maro koa no saro- tahotra. Tamin’ny fifidianana mpiadidy, vao novandrin-dRahaingo goverinera ny ankabeazany dia nandatsa- bato ho an- dRainivelo, leo laza amin’ny haratsian- toetra. - Tanisao indray ary izy hataonareo amin’ny andro alahady - Mikatona ny akany eo ary foana ny fivoriana - Ka no manandatra ny “laicite” ianareo - Laique izahay, satria tsy mijery antokom- pinoana, tsy mampiana – pinoana; izany anefa tsy milaza fa “ tsy mino an’ Andriamanitra” izahay.Manaja ny andro sabata izahay, nefa tsy manery ny mpikambana ao aminy hivondrona ao amin’ny Tempoly na Eglizy. - Hay mino ny fisian’ Andriamanitra ianareo? -Mino izahay, nino ary mbola hino. Tsy mbola fantatra izay manam- pinoana safomorona sy marim- pototra na Mose Sauvage sy Ragova mpanenjika anay, na ny tenanay enjehiny.

47-Alarobia 03 marsa 1971, IV lah 4449 Hay va re be zava- tsoa toy izany ao amin’ ity “ AKANIN’ NY FIRAHALAHIANA “ ity è! 14 - Saingona ka gisitra: Sekolim- pirenena tsy nisy afa- tsy kilasy voalohany no niadidian – dRavalo. Voatery nanome fampianarana maimaimpoana ireo zanaky ny Tantsaha tratry ny fe taona izy, ka tao an – tranony no nanaovany izany. Nomaniny hanala ny CEPE ireo zaza mananika ny fahadimy ambinifolo taonany ireo. Mafy ny asan’ ity tovolahy ity.Vao avy mametra- tsotro izy dia mampianatra ireo zaza ireo. Vita indray ny fampianarana dia indry mankany amin’ny akanin’ny firahalahiana. Ny alina izy no manomana ny fampianarana hataony ny ampitso. Imbetsaka izahay no nitory ity mpampianatra ity tany amin’i Mose Debonniaire filoham- paritany. Nolazainay fa manao tsirambina ny asany izy, satria sondriana amin’ny politika sy ny famelabelaran- kevitra ao amin’ny akanin’ny firahalahiana.Imbetsaka koa anefa no nandefa mpitsidika sekoly ny tompon’

LXXXIX andraikitra fa niala maina. Tsy nahita kianina tamin-dRavalo izy ireny. Nahavaky vava azy aza ny fahaizana sy ny hakingan’ ny mpianatra, ny filanton’ny fampianarana, ny ravaky ny sekoly, ny fandavan- tenan’ny mpampianatra . Nahasosotra anay izany doka azon- dRavalo izany fa namporisihanay Rabefilatro mba hanomana mpianatra hanala CEPE.Rabefilatro foana ve? Haravoana moa ny azy nahare izany. - Avelao hifandoro fa afo sy ranon – dasantsy hoy ny adala. Tsy ampy ahy raha izay Ravalo kely endaka sady maivan- kitsaka. Izany moa no fomban’ny kely saina.Rahefa tsy mahita ho tsiniana amin’ny fari- pahaizana sy ny toe- panahinao izy, ary amin’ny toe – batanao no ilàny vonkina . - Nampiseho herim-po mahatalanjona Rabefilatro.Naidiny tamin’ny enina maraina ny mpianatra manomana fanadinana ary noravàny tamin’ny fito alina. Nidera azy ny mpandray an- tendrony. - Ny an-dRavalo tsy maharitra afa – tsy ora vitsy foana ny fampianarana , hoy izy ireny, fa ny an- dRabefilatro kosa , taom- jezika an- kady ka aina no fetra. 48-Alakamisy 04 marsa 1971, IV lah 4450 Be fandavan- tena kokoa Rabefilatro hoy ny hafa.Ravalo sondriana amin’ izay politika tsy manjary. Rahefa tsara ny andro dia avoakan-dRabefilatro eo alatrano ny mpianatra.Eo izy no mivazavaza mampianatra ho ren’ny mpandalo.Tsy miteny gasy izy amin’ izany.Tonga mijery eo ry Rainivelo sy ny tariny. Mitarika tehaka ireo mpiadidy maivan-doha, rahefa manao teny frantsay sesemontotra, tsy mitelin- drora izay i Mose Rabe. Manatri-danonana mba roa? Mba toy inona anefa ny ny endrtik’izato fampianaran- dRabefilatro? Filatrony fotsiny araka ny anarany, randrany ivelany. Anio izy mahatonga intelo manao sora- tononina. Tsy misy fanazavana ny fahadisoana vitan’ny mpianatra anefa, fa vao vita ny iray dia misosoka indray ny iray. Heveriny angaha fa ny fahabetsahany no mitera-bokatra. Matetika dia hadinon-dRabefilatro ny maha-kilasy fahafito ireto ampianariny. Vao maromaro ny mpijery dia tanisain-dRangahy ny introspection, ny loi du talion. Tsy mety hampianatra tantaram-pirenena (histoire) izy, satria manavia azy io Jeografia ihany no asesiny. Ny manavanana azy dia: “ le massif central”, ka averiny im-polo kely. Ampifandraisiny ireo lesona mba hainy ka mahatsikaiky. -Ny “Massif Central” dia tendrombohitra avobe, hoy izy. Eny no tsara hanaovana introspection. Malama anefa ny ny lala-midina ka mampidaraboka, ary “sanction” ho an’ireo tsy mitandrina izany. Naelin-dRabefilatro ho ren’ny vahoaka fa ny ao amin’ny Sekolim-pirenena misy an-dRavalo, dia lany andro mikaonty ny tombom-barotra (bénéfice) sy ny fatiantoka (perte) ny ankizy. Ny mpianatry ny Sekoly Saingona kosa, efa tafapaka hatrany amin’ny psychologie ka mitanisa ny introspection, efa mandalina fitsipi-pitondratena ka mahafantatra ny sanction. Dia nesorin’ireo sodokan-drendrarendra ny zanany, hanatevina ny solofo karakarain’ny Sekoly Saingona.

Dia nataon-dry Rainivelo maro ranonorana, fa “ izay te ho saingona ara-tsaina sy ara-panahy ary ara-nofo, aoka hanantona ny Sekoly Saingona”, fa izay te ho kaozatra ara-pahaizana sy ara-pinoana kosa, manaraka an-dRavalo maivan-kitsaka. Soa ihany fa misy ny voa tsara hitsarana ny hazo mitovitovy taho. Nigadona ny fotoana hanaovana ny CEPE. 49_Sabotsy 05 marsa 1971, IV lah 4451 Nirohotra nankany Alakamisin’Ambohimaha ny zanak’ i Vohiposa.Fiarakodiam-panjakana no nasaiko nitondra ny mpanala fanadinana avy amin’ny Sekoly Saingona. Telopolo no isan’izy ireo. Saiky zanak’olona miaingitra sy manontany ny ory izy rehetra. Ny sakafo antoandro nomanin-dry Rainivelo ho azy ireo dia tao amin’ny hotelim-bazaha iray. -“ Tsy maha-saingona ny hotely gasy”, hoy ny avonavon’ Ingahy Mpiadidy. Telo monja kosa ny mpianatra nalefan-dRavalo. Tsy nitondra ny anaran-tsekoly izy ireo. Nanaraka azy teny ny ray aman-dreniny, nisakelika vatsy. Tsy mba sakafo mahafadiana anefa no namboariny fa dia ny fahita isan’andro vaky: ampangoro sokinendra, no tondrahana ron-trondromaina, miampy atodim-borona iray. Tamin’ny valo maraina no nanomboka ny fiantsoana anarana. Profesora malagasy iray avy any Fianarantsoa no filohan’ny mpanadina. Nanantona azy aho ary nifampidinika mangina taminy. “ Io Ravalo io no tonian’ilay fikambanana mitady handroaka vazaha ao Vohiposa, hoy aho. Tandremo sao ataonareo afa-panadinana ireo mpianany telo ireo, ka hirona aminy ny vahoaka. Ny Sekoly Saingona jerena”.

XC

- Izahay tsy mijery finoana, na firazanana, na fikambanana raha mitsara fanadinana, hoy ilay Profesora tamiko. Fahaizan’ny mpianatra no jerenay. Na zanak’i Mose Sauvage aza, rahefa tsy mahatratra ny isa dia tsy omenay diplaoma. -Dia hifikitra amin-dRavalo ny fon’ny olona? 50- Sabotsy 06 marsa 1971, IV lah 4452 Raha matahotra izany hianareo, nahoana raha milofo sahala aminy. - Homba anay va hianareo sa homban-dRavalo ? - Sady tsy momba anareo izahay, no tsy momba an-dRavalo. Ny fampianarana Tompokolahy tsy hijerena tavan’olona. Na zanaky ny fahavalon’ny tena aza, rahefa mahay dia tolorana filazam-pahaizana. - Dia ampiakarinay any amin’ny Mose Sauvage hianareo. - Hampiakaro anio hariva ihany fa tsy mihetsibolomaso amin’izany izahay. Vonona hiaro ny rariny tsy ho voahitsakitsaka ny tenanay mandra-pialan’ny fofon’ainay farany. - Rahefa tsy hanavotra ny Sekoly Saingona hianareo, ho isan’ny mpitsara i Mose Rabefilatro. - Tsy nomena alalana hiandraikitra izany na Ravalo na Rabefilatro. - Ataovy raharaham-pianakaviana ao fa tsy misy mahita è! - Toe-tsaina toy izany ve no entinareo mampandroso ny firenena? - Ary moa heverinareo fa handroso ny firenena raha miala ny vazaha? - Hay tsy afa-mivoatra sy handroso ny olona toa anao, raha tsy baikon-dry Mose Sauvage ka feheziny lamboridy? Voatsindrona mafy aho ka nanao fialan’ny Jiosy. - Hay koa misy Profesora ambony miray tetika amin-dRavalo maivan-kitsaka! hoy aho, nanainga soroka. - Tsy miray tetika aminy hanao ny tsy rariny, fa miray tetika aminy hitaky amim-pahendrena ny fahaleovantenan’i Madagasikara, hoy izy, sady nianona. Nisaraka izahay roalahy fa tsy nifanaran-kevitra. Ny hitory ilay Profesora any amin’i Mose Sauvage ihany no be tao an-tsaiko. Fa tapitra tafiditra tao an-tsekoly hanaovana fanadinana ny mpianatra rehetra. Ny ray aman-dreny sisa nanarangarana teny ivelany.Endrey ireto izy mangitakitaka, mivoajamala, indrakindrafana mai-molotra.

Toy ny lefona miranirany atoraky ny mpanadina manitsy ny menaky ny ainy ny fiheviny ny fanadinana, ka asa raha hahay hisoroka izany ry Koto mpiandry omby, ry Fara mpitaon-jezika, ry Naivobe badolahy, tsy mahafantatra afa-tsy ny fambole-mangahazo manalaingo. Toa te hanaraka ilay belohany hatreo ambony dabilio i Neny malala, ka hanafosafo ny takolany sy hibitsika mangina aminy hoe: mahereza anaka, “ tsy misy mafy tsy laitry ny zoto”. 51-Alatsinainy 08 marsa 1971, IV lah 4453 Toa te hanakaiky ilay Faralahiny i Dada mahantra ka hanao toho-tsofina aminy hoe: “ataovy eza-maina toy ny fitondra rambaramba lehiroa”. Miondrika kely ny sasany, mitanisa tonom-bavaka an’eritreritra. Rahefa misy mahaporitra moa, mitalaho elabe amin’Andriamanitra ny ankabeazan’ny olona, fa nony azo izay nirina, ny kilonga sisa no asai-mitanisa ny “ omeo anay anio ny hanina sahaza ho anay”. Samy tsy nahazo niditra tao amin’ny efitra nanaovam-panadinana na ny tenako, tomponarivo mpifehy nefa voafehy, na Ravalo sy Rabefilatro, mpampianatra, nefa nandrindrinan’ny sekoly varavarana, ary indrindra indrindra fa ry Rainivelo sy ny tariny, fetsy eo amin’ny ara-kabary fa bado eo amin’ny ara-pahaizana. Vita teo amin’ny mitataovovonana ny fanadinana. Indreny namonjy hotely izy telopolo mianadahy, mpianatry ny Sekoly Saingona. Nanotrona sy nanara-dia azy ny tenako, Rabefilatro tsy maty am-bavany, Rainivelo mbamin-dry Kotomanga ary ireo ray aman-dreny manindrahindra ny fanjakana entim-bazaha. Izy telo mianadahy mpianatry Ravalo kosa, indreny nanantona fotokazo, ka nindrana ny alokaloky ny kininina mavam-paniry, hanotrona azy eo am-pisakafoana. Fa be fanantenana handresy và ireny mpianatry Rabefilatro no faly volony ambony ihany? Nihevi-tena ho tafita tokoa izy rehetra ka velon-tsioka. Hadinony fa tsy azo enti-mamakivaky ny onjan- dranomasin’Ambila ny zahatra vatan’akondro. Fa inona no nitranga? Nandoza ny pedagozian- dRabefilatro.Toran’ny hehy ireo mpitsara, raha namaky izay voasoratry ny Sekoly Saingona tao amin’ny taratasy. 52-Talata 09 marsa 1971, IV lah 4454 Tamin’ny tantaram- pirenena dia izao no fanontaniana nipetraka: “ Iza moa ny ingénieur Sauvage?” Ny mpianatr’i Ravalo namaly hoe : Izy no namorona ny hélice; Ny zaza nokolokoloin- dRabefilatro kosa namitsoka hoe:“ Izy ilay Admisibe niaraka tamin-dRavoga nanorina ny Sekoly Saingona”

XCI

Tao amin’ny lahatsortra indray dia izao no lohateny nasaina novoasana : “Inona no fotoana nahafaly ny fonao indrindra tamin’ny androm- piaiananao? Hoy ny valiny avy amin’ny Sekoly Saingona: ny nahafaly anay indrindra dia ny nitondran- dRamose Rabefilatro anay an’ eritreritra teny amin’ny “Massif central”.Nasainy nanao “introspection” izahay, ary nony nidina ny tendrombohitra dia tsy navelany hiriotra, sao lavo ka voan’ ny “sanction” Teo amin’ny marika dia nitan- takolaka fotsiny ny mpianatr’i Rabefilatro. Nony tsy nahita ho soratana izy rehetra , dia izao no teny napetrany tao amin’ny taratasiny, teny noheveriny ahavony azy. “ Izahay dia mpianatry ny sekoly Saingona arovan’ i Mose Sauvage .Tsy mba maniry fahaleovantena.” Tamin’ ny fito hariva no nasehondry zareo mpiandraikitra ny valim- panadinana .Nanila ny ranonoram- pahasambarana ka ny mpiantry Ravalo no nirotsahany. Afaka daholo izy telo mianadahy .Ny sekoly Saingona kosa tsy nitoko.Samy niondri-doha na izy telopolo miandahy , na ny ray aman- dreny mpanaraka .Nindrana ny lokon’ny sakay masaka ny ravin-tsofiko. Raha azoko nahiditra dimy andro teny an –tranomaizina ilay Profesora dia ho nataoko mihitsy. Vao mainka nitombo avo roa heny ny hatezerako,raha nandre ny teny fampiononana natolo ny ny ray aman-dreny hoe:” Raha indray mandeha no manta vary, aza mandevin- tsotrobe”.Ry Rainivelo indray tsy mba nahay nangina nony voa fa mba niantsanantsana eo imasom- bahoaka hoe: “ Fa inona no nahavoa ny zanatsika Ragova?” Tsy namaly aho fa natosiky ny henatra hiditra haingana tao anaty fiarakodia.Henoko nifandromotra indray i Kotomanga sy Beravony . - Lalina ny fitahian’ Andriamanitra, hoy Beravony.Ny sekolinay nohosoram- potaka ho tsy mino an’ Andriamanitra no nahazo famonjena androany. Ny sekolinay nolazaina fa kaozatra sady maivan – kitsaka no naharombaka ny fandresena. 53_Alarobia 10 marsa 1971, IV lah 4455 Mangina ialahay ry ilay tsy velon- komana ity à, hoy Kotomanga. - Raha oharina amin’ny fifaninana hazakazaka ilay fanadinana teo, hoy iBeravony dia izao no fototry ny fandresenay sy ny faharesenareo: izahay mahia ka maivamaivana afa- miriotra, fa hianareo kosa mavesabesatra sady SAINGONA , hany ka GISI- paty. 15_ Hanarina ny lavo Tsy nahajery olona aho, nony tafaverina tany Angavo.Ny ampitso maraina dia nampanalaiko ho tonga tao amin’ny biraoko Rabefilatro, nataoko hampiravahontsana azy ny trerona sy ny levilevy , kanjo tsy nampitresaka ny vatolampy ny kotrobaratra . Izaho foana no nidera tena, ho afo – mpandoro ny rindrim- bilany, fa hainka ranomasinn- takotra manapitr’ aina Rabefilatro.Izaho tsy nitsitsy azy .Izy koa tsy nanome voninahitra ahy. -Nahoana no nandamoaka ny atody nakotrika hoy aho. - Inona anefa no mba nataonareo hahafatoy azy soa aman- tsara ?Hoy izy tamiko niketoka - Fa moa isy ise no tompon’ andraikitra ? - Ary hianareo mpanarangarana fotsiny an! - Izahay angaha no nanefy ny zaza? - Na tsy nanefy aza ianareo afaka hanefy ny mpanadina amim- bola sy kolikoly. - Hay tsy mba fahaizana no ianteheran’ ise fa fihetsiky ny lava tanan’ akanjo”. - Iza moa no nampianatra anay “ lalana ambanin’ny tany” tsy hianareo ihany! Vao nanorina ny Sekoly Saingona ianareo dia efa nikabary hoe: “haidiro ao ny zanakareo, satria isika no tompom-pahefana ka tsy maintsy afa-panadinana izy ireo? Ampianaro mandihy ny zanakareo vavy, fa na tsy hatody fianarana aza, izahay ihany no hanome asam-birao azy, indrindra raha tsara tarehy izy. Nozarinareo ratsy tamin’ny kabary ambony vavahady sy ny safosafo mampandry adrisa ny vahoaka, hany ka tsy mety hiasa intsony, fa miandry “mana” hidina avy any an-danitra”. - Ialahy ve no mba hanome moraly anay? 54-Alakamisy 11 marsa 1971, IV lah 4456 Fa moa ambany noho hianareo izahay mpampianatra no vingavingainareo toy izao? Izahay no nanefy anareo ho olo-manam-pahaizana. Ny lesona naiditray tao an-dohanareo no nahazoanareo izao toerana izao. - Ho roahinay ary ialahy ka asehoy izay herin’ialahy. - Roahy aho dia hotsikafoniko avokoa ny ratsy nataonareo sy Mose Sauvage. - Hamoron-dainga izany ialahy? - Tsy lainga Tompokolahy malala, fa ny tena marina.Iza irony mitaky hetra any ambanivohitra irony ka manerongerona sy mitratrevatreva ery raha tsy toloran’ny fokonolona omby iray? Iza irony manao an-keriny ny zazavavy tantsaha irony, ka mody mampaka azy amin’ny hoe:“ hahandro ny sakafo ho an’ny lehibe ianareo”?

XCII

Iza irony mampamory vola ny “mpitrongy vao homana” irony, satria soketaina ho “maloto tokontany” izy? Iza ireo tsy mety hiakatra an-tanàna raha tsy tambatambazana amin’ny “divaim-boninahitra”? - Izany habadoana safovavany izany no tsy nahatomponarivo an’ialahy. - Aleoko ihany bado manam-panahy, toy izay sefobe sadasada fiaina. - Ndeha mivoaka ny trano ialahy fa tsy ilaiko, hoy aho, somary nivandrina. Ataovy veloma anio ny Sekoly Saingona. - Enga anie aha- saingona anareo mianakavy ny karamako varimasaka tsy nomenareo, hoy izy, sady nakatrony ny varavarana. Nihidy ny vazako, nefa tsy afa-nanoatra aho. Ny tena nahakivy ahy mafy dia ilay teniny hoe: “hotsikafonin’ny ratsy nataonareo”. - Dia ho vitan’ilay kary iny và izany? Hoy ny eritreritro. Ka, hisy vidiny amin’ny vahoaka intsony ve aho? Tokony haverina izy, dia tambatambazana, sao manaparitaka ny tsy ambaratelo. - Iza anefa no hihaino ilay maivan-doha iny? hoy ny eritreritro anankiray. Avelao iny hipentsompentsona any. Hihevitra azy ho “andriandahy lany harena” ny vahoaka. Telo andro taorian’izay anefa, dia nipaka tao an-tsofiko sahady ny fanaratsiana nataon-dRabefilatro. Ry Rainivelo no nitatitra ny teny taty amiko. Izao hono no fanadiovan-dRabe ny tenany. 55- zoma 12 marsa 1971; IV lah 4457 “ Ny mpampianatra nanao ny ainy tsy ho zavatra, fa ny Sekoly Saingona mihitsy no tsy azoazon’ny mpanadina. Nahasosotra an-dry zareo mantsy izany eboebon-dry Ragova. Tsy faly ilay Profesora tompon’andraikitra fa tadiavin-dRagova ho baikoina. Esory ao amin’ny Sekoly Saingona ny zanakareo. Raha mbola Ragova sy Mose Sauvage ihany no hikarakara io Sekoly io, tsy hisy mpianatra afa-panadinana ao. Ny mpanadina angaha azon’izy roalahy ireo hanaovana didiko fe lehibe”. Dia nesorin’ny olona ny zanany, satria noheveriny fa marina izany.Vao voaroaka tsy hiandraikitra ny Sekoly Saingona intsony Rabefilatro, dia ny lalana mankany amin’ny Akanin’ny Firahalahiana no nasiany olona. Nangataka hiditra ho mpikambana ao amin’ny H.T.ny lehilahy. Nafana ny adihevitry ny mpikambana mikasika ny handraisana na tsy handraisana ity tovolahy fetsifetsy ity. - Tsy azo itokiana ny olona toy ireny, hoy Beravony. Sotrobe lava tango izy no sady mpangaron- dela. Iza moa no mahafantatra raha manao “vazaha mody miady” izy sy Ragova? Hitsikilo angamba no hidirany ato. - Kapotsaka tokoa anie ity Rabefilatro ity, hoy Ndrembaliha. Toy ny baolina fingotra ny adala, ka voadona kely dia miova toerana. - Ka ho lavina izany ny filatsahany ho mpikambana? hoy Ravalo. - Lavina amin’ny hery rehetra mihitsy. - Inona marina moa no anton’ny handavantsika an-dRabe? - Mpitsikilo hita vatana iny. - Inona moa no mampihetsi-bolomaso antsika, momba izany fitsikilovany izany? Mikatsaka ny fahaleovantenan’i Madagasikara isika, avelao ho ren’i Mose Sauvage izany.Tsy basy aman- defona no entitsika mitaky, fa halemem-panahin’ny tany iray, onenan’olona matahotra an’Andriamanitra. - Toheriny mafy anie izany fanomezana fahaleovantena antsika izany è! - Tsy mitovy toetra amin’i Mose Sauvage daholo ny vazaha rehetra. Misy marobe mahalala ny marina sy ny hitsiny, toa an’i Mose Debonnaire, filoham-paritany. - Vonona hiara-dalana amintsika marina ve anefa ity Rabefilatro ity è? 56- Sabotsy 13 marsa 1971, IV lah 4458 Tsy fantatra izay raketin’ny fony, fa ny hany fantatra dia izao: leon’ny didiko fe lehibe sy ny fitondrana jadona izy matoa mitady fivoarana. - Azo antoka hiova toetra và ny adala? - Ny kapoky ny fahantrana mazana mba mahatonga ny bemarenina hikaro-dala-mahitsy ihany. Raha izy pahina indray tongo-dovia, avelao ho vorom-bazaha misotro vitsika, ka ny vilany sisa sasana. Nanaiky ny hevitry Ravalo ny mpikambana ka dia noraisina Rabefilatro. - Tsy ny hanatsikafona eto anoloanay ny tsiambaratelon-dRahaingo sy Mose Sauvage no ilanay anao, hoy Ravalo taminy. Na hitsivalampandry izy roalahy, na hisondro-miakatra, na hanao talapetraky ny mpisotro, avelao izy hanao ny danin’ny kibony. Ny antony nadraisanay anao kosa dia ny hanamaro isa ny mpitolona; manohitra ny fanjanahantany. Niondrika Rabefilatro, satria zava-tsy nampoiziny ity nitranga. Ny antony nidirany amin’ny H.T ny hitati- bolana amin-dry Ravalo ny fikasan-dratsiny sy Mose Sauvage, kanefa ankehitriny, tsy navelan-dry zareo hitanisa an’izany akory izy.

XCIII

- Tena olom-banona hainka ry zareo ireto! hoy ny eritreriny. Nanomboka iny andro iny koa, dia niezaka namboatra ny toe-tsaina sy toe-panahin-dRabefilatro i Ravalo.Raha nentanin’ny eboebo hisondro-miakatra ireo tovolahy, dia nopohiny hidina tamin’ny kanontan- teny mavesabesatra. Nony mitady hivarilavo, hiakatra tamin’ny tambitamby feno fampanantenana. Mba hamenoana ny sinim- pahaizany ho erany, dia nanao ny ainy tsy ho zavatra tamin’ny fampianarana azy Ravalo. - Inona no mahatonga anao hilofo amin’ny fampianarana sy ny fanorotoroana an-dRabefilatro? Hoy Ndrembaliha. - Mahasorena ahy, hoy izy, ny fanabatian-dry Mose Sauvage hoe: ireny maivan-tsaina toa an- dRabefilatro ireny no olo-manga malagasy mitady fahaleovantena. - Adidy mavesatra anie izany hanery ombimanga iray hiditra am-pahitra izany. - Kanefa fitiavana tanindrazana vitsy mpahalala. Ny mahavoa antsika dia ny fananana ilay toe- tsaina te hialangalana, mpanarangarana ny lavo. 57- alatsinainy 15 marsa 1971, IV lah 4459 Tsy mety ny manakora ny mpisotro toaka amin’ny hoe:“ sakory izay”, fa ny manarina azy sy ny mananatra azy no tokony hatao. Tsarovy, fa ny fianjeran’ny mpiray tanindrazana iray eo amin’ny fotaky ny fahafaham- baraka dia ampy hampihena ny zo aman- tsata ny firenentsika, eo imason’ny vahiny. -Ary raha nanoro lala- mahitsy azy ianao fa izy no minia mivarina an- tatatra? - Dia raisina ho fiononana izany nanolotra sakafo ny noana, nefa izy vokisana indray no mihidy vazana? “HANARINA NY LAVO” izany no tarigetranao? -Tsy tarigetrako irery fa tokony ho tarigetran’ izay rehetra mahatsapa ny hasarobidin’ny Tanindrazana . - 16 Rainibango Nifofo mafy an- dRabefilatro izahay mpanorina ny Sekoly Saingona. Tsy afaka tao an- tsaiko ilay tapa- teniny nanao hoe “ho tsikafonoko ny ratsy nataonareo” Napanalaiko Rainivelo fa halohalika ny ranombary. -Tadiavo ny hevitra hanakombonana ny vavan’ ilaikary iny, hoy aho. - Raha tsy Rahaingo tsy mahavitra izany, hoy izy; - Raha maty anefa ilay miboboha tangena io, sao dia isika maina indray no lena? - Ianao koa saro- tahotry ny masony ka te hividy ny lohany, te hifelana nefa mataho – dolo. Isika ve no hanapitra ny ainy? -Tsy isika fa i Rainibango .Ikotokely milalao kary isika ; filalaovana no antsika , fa ny kary an- dRafotsibe. - Tsy tiako izany mandatsa- drà olona izany. - Mahay karazam- pamonoana maro tsy misy rà latsaka Rainibango; ambalavelona, mahia vondraka , mason- tanalahy noana, vorika. - Kelikely finoana ireny mpanao ody gasy ireny aho. - Satria tsy mbola hitanao ny vadin- dRainilama voan’ny fanainga lavitra, ry Soangita sasatry ny rao-dia. -tandremo ary lazainao an- dRainibary hoe: “Ragova no tompon- kevitra”; -Mandria ivohan’ny vato ianao.Avelao ny tenako no ho sotrobe rarahan’ny havandra.

59_Alarobia 17 marsa 1971, 4461 …Ilay mpampiantra malaza tao amin’ny Saingona ve? Hoy Rainibango. -Saingy nivadik’ imaso toa tandrok’ osy -Satria !!!! -Nanaraka ny dian- dRavako ka zary mpikambana ao amin’ny Akanin’ny Firahalahiana. - Nomba an- dry Ndrembaliha mafy hatoka izany? -Sady mpanatsikafona ny tsiambaratelonay. - ka hajedaka? Nitsoriaka teo an- joro trano mba haka ny saronan- karona feno voankalamaka Rainibango. Dia indro nimenomenona sy nitanisa Ingahy mpivaro- draikiraiky:” “ Tsy tongotra mandia alanana, tsy tanako mandia joria, fa ny havoaky ny ampitso hitako anio” .Nikiky tapa- kazo izy dia nofonosiny ny vovoka ka natolony an- dRainivelo. -Araraho isa – maraina eo an- tokotanin-dRabefilatro ity vovokazo ity, hoy izy. Inty koa misy rano menamena an- tavoahangy: lemo amin’ ity, isaky ny mangiran- dratsy, ny tokonam- baravaran’ny Akaninan’ny Firahalahiana.

XCIV

-Inona no ho vokatr’ izany ? hoy Rainivelo. -Ho leo monina eto Angavo Rabefilatro, ary ho rava io fikambanan’ny “HT” io.Hikoa hatramin’ io Akany io aoriana kely. -Izay vovokazo sy ranom- panafody ve dia hampikoro azy? -Ny hasiny anie ka makadiry e! Kely mikiky toy ny fositra ireo. Katisoa namidy vozon- kena ka avy hatrany dia any an- katony. Tsy vitan’ izany fa mbola handevina azy eo atsimotranon- dry zareo “H T” . -Sao tratran’i Ndrembaliha ianao ka hataony didimaso mitsoka sakay. 60-Alakamisy 18 marsa 1971, IV lah 4462 -Atody orokoroka eo anoloako iny .Ianao ve mbola tsy mahalala ny heriko? -I Ndrembaliha anie no tena mpanazimba ny ody .Nisy valan-dresaka nataony indray mandeha ; izay nilazany fa tapa- kazo azon’ny dokotra atelina hono ireny azarizariareo ireny. -Avelao hifanena ny molotra sy ny sakamalaho.Hampodiako mbola herotrerony any Ambondrombe ilay tohara loza iny Natsipin-dRainivelo teo am- pofoan – dRainibango ny vola ariary zato.Nihiratra ny mason’ Ingahy.Nosokafan’ny haravoana hitsiky ny vavany ka niseho teo ny volanaranony nandosiram- bazaha. Nifandray tanana izy roalahy samy hafahafa fitady fiadanana .Ny iray ; fandavoana ny olona mamim- bahoaka no heveriny hampisondrotra ny tenany.Rainibango kosa, baikona toy ny amboa dia mandramatra.

17- TSARA KOMANDDY MPITARIKA Isa- maraina vao misafo helika ny kary, dia nataon-dRainiveloo ho anton- draharaha ny mandraraka vovokazo eo an- tokotanin-dRabefilatro.Toa tsy tsaroany ny zo maha-mpiadidy nofidim- bahoaka azy.Avy eo izy dia mankeny amin’ny Akanin’ny Firahalahiana.Lemany amin’ilay ranom- panafody menamena ny tokonana.Nandrasana ny herinandro, tapa- bolana , iray volana, tsy re siosio hoe “ hifindra fonenana” akory Rabefilatro.Vao mainka niroborobo fatratra ny “HT” . Tsy naharitra Rainivelo fa nanatona ahy. - Toa tsy nandaitra akory Ragova ny azarin-dRainibango, hoy izy.Lany foana ny vola omena azy. - Ianao efa nolazaikotsy mety, hoy aho. Tsy misy vokany anie ireny tapa- kazo sy ranom- panafody omen’ny mpanao hitsak’ andro anareo ireny e! - Ka nahoana no niolan- katoka ilay marary novangiantsika tery avarabohitra? - Vangoloha (meningite) no nahazo an’ iny fa tsy tapa- kazo. - Malaza anie Rainibango; - Malaza ratsy. Ianareo no miankohoka aminy fa ny mazava saina tsy manome hasina amam- boninahitra azy. - Aminao izany tsy manankery ny fanafodiny? - Voalazanao.Manam- panafody mandaitra Rainibango ka nahoana no navelany hangalarin’ny sasany ny ombiny anankiroa tao am- bala? 61- Zoma 19 marsa 1971, IV lah 4463 Tsy nahateny Rainivelo, Na resy lahatra aza anefa izy, tsy nety najanony ilay famafazana ranom- panafody. Fa ningadona ny fotoam- bolamena hankalazana ny mariazinay sy Nirinah.Herinandro mialoha ny raharaha dia ny mpitan- tsoratra sisa nampiandraiketiko ny asa birao, fa izaho nibaiko ny fokonolona handalotra sy hampihaigo ny trano hilanonana. Najanonay ny asam- panjankana fa ny asan- dRagova no natrehina.Niato ny fanaovan- dalana sy ny fanamboaran- tetezana; satria ny fiarakodia mpitaom- bato nanjary fitateran-dabilio, gonim- bary ,vorontsiloza, anabazaha.

Nalefako hatrany ambanivohitra Rainivelo sy Kotomanga, hampandre ny mponina mandoa hetra fa : hanambady ragova ka mangataka ny tso- drano zava- mahery. Noteren’ izy roalahy handoa tso- drano ariary folo isan- dahy ireo mpitrongy vao homana. Ny vary fotsy sy ny vorombe miresaresa amin’ny taviny , ambony amponga . Ny ankatoky ny andro malaza, dia tonga nanatitra ireo tso- drano makadiry, ireo tao an- tranoko iretsy Tantsaha mahantra. Isaky ny fisaorana navaliko azy dia nosisihako hoe “tandremo ny miditra ho isan’ny “HT”. Aza mikaroka izany fahaleovantena izany, fa ny baikom- bazaba ihany no mahasoa antsika. Mitehaka ireo mpila ranondranony, fa izay rehetra nifampikasoka tamin- dRavalo kosa nikombom- bava fotsiny. Any ivelany hono izy no re mimenomenona hoe: raha tahaka an’ io Ragova io avokoa ny fihetsiky ny vato nasondrotry ny tany rehetra, toa fahadalana izany mamaky loha amin’ny fianarana. Tsy aleo ihany mavomavo mahafantatra ny vidin’ny fahaleovantena toa anay. Fanomezana izany voaraiko tamin’ ireo olom- peheziko izany.Na vita aza ny raharahako, tsy ho laninay mandritra ny iray volana ireo

XCV

akoho amam- borona natolotra ahy. Ny vola taratasy nafatratra an- tsobiky. Ny tena nahafoy be indrindra dia ilay “grika” satria navelako hivaro- toaka an- tsikosoko izy io, na tsy nahazo alalana avy any ambony aza. Nasaiko hanatrika ny lanonana hatramin-dRavalo sy Rabefilatro. - Inona koa no hanakanao azy roalahy ireny, hoy Nirinah. 63_Alatsinainy 22 marsa 1971, IV lah 4465 Moa và ireo razantsika fahagola dia ho mitovy hevitra avokoa. Ny tiako ho lazaina amin’ izany dia ny hoe: mitovy hevitra tamin’ ny fitiavana na tsy fitiavana ny Mpanjaka; nitovy hevitra tamin’ izay hanatsarana ny tanàna. - Ka na Adama sy Eva aza samy nanana ny fisaizany kan! Hoy Beravony. - Marina ny anao, hoy Ravalo. Ny fahendren’ny razantsika dia izao rahefa nisy ny “asa” vadi- drano tsy vita tsy ifanakonana”, rahefa nisy ny tao- trano tsy efan’ irery” nampiriminy ny fisaraham- bazana, navelany ny tsy fitovian- kevitra .Nitambatra izy rehetra ka nanao soroka miara – milanja, tongotra miara- mamindra. Inona no vokatr’ izany fiarahany miasa izany? Voatarika ny vatom- posana, voatsangana ny tamboho; vita ny fefiloha. - Izany eo ihany, hoy Beravony, fa ny ahy ny “vorika” eo am-pihinanana no mampitsangan – bolo ahy. - Tsy matimaty foana ny olo – marina ry Beravony, hoy Ravalo.Avelao hanatrika ny fanasan- dRagova izahay sy Rabe sao ny mety hanova fo vato iray ho fo volamena. - Ahoana ary no mba hevitrao Rabe? Hoy ny naman’ i Beravony. - TSARA KOMANDY MPITARIKA aho ka aza sakanana fa avelao hiroso, hoy Rabe. 18_ IZANY KA LEHILAHY/ “ Mpanambady ô! .Odrey izany halavan’ny laharana tsiroaroa! Izany haingon’ny ampakarina sy ny mpampakatra!” Tonga tokoa ilay andro nandrasana ela. Toy ny zanak’ anjely nirahin’ny lanitra hamangy ny tany no fijery an’i Nirinah, nisalobona voaly fotsy madio. Izaho kosa toy ny vorombola manjelatra; amin’ izato galonako mirentirenty. Hakevohana anie izany ny an’i Maman sy Jaunie sy Papa Rambel. Na dia efa tandindomin’ny fahaterena aza izy mivady, mbola nifampisakambina sy nifampitositosy toy ny tanora roapolo taona. Mose Sauvage no nitantana an’i Nirinah. Ny Mpitandrina tompon- trano dia tsy navelany hitondra ny raharaha , satria isan’ ireo tariky Ravalo, mikaroka ny fahaleovantenan’i Madagasikara. Mba nanazava sy nihenjana ihany izy io, ka nampiseho taminay ny lalan’ny fiangonana nefa novandririnay sy Mose Sauvage dia lefaka. 64_ Talata 23 marsa 1971, IV lah 4466 Nitarika mba hitsabaka hatrany am-piangonana ny fahefako.Nampanalaiko ny mpitandrina manodidina nefa tsy nety. - Hay ianareo mpitondra fivavahana ireo no isan’ny mankamamy ny fahaleovantena, hoy aho. - Eny, hoy ny solontenan’izy rehetra. Tahaka ny nanesoran’i Mosesy ny Israely avy eo amin’ny fanandevozan’i Farao, no fikasany hanafaka ny Malagasy avy eo amin’ny ziogan’ny fanjanahantany. - Dia hatohakay eo amin’ny molotrareo ny kapoaka mangidy. - Izany angaha mba vaovao aminay. Ny kalon’ny fonay manizingizina hoe; “na ho voky na ho noana, tsy handà ny fanompoana”. Rahefa tsy nahazo mpitandrina aho dia ny loholom-piangonana no notendreko hiandraikitra ny raharaha. Ny fihevitro ny tenako dia olona ambony, manam-pahefana na amin’ny ara-nofo na amin’ny ara-panahy. Rainivelo no nasaiko nitoriteny. Ohobolana sy hainteny moa izao nataony izao. Nofaranany tamin’ny tso-drano hoe: “enga anie ianareo ka ho tahian’Andriamanitra sy ny razana ary ny tendrombohitra roambinifolo, (nefa anie any am-piangonana).Ilay nisolo ny mpitandrina koa aza no atambo. Hafanam-po no anan’ny fa tsy fahaizana, hany ka nahatsikaiky ny fihetsiny. Teo amin’ny fanombohana dia hoy izy hoe: “tsy hanontany intsony aho rey vahoaka na voasoratra na tsy voasoratra ny fanambadian’izy roa, satria Ragova ihany no mpanoratra, ka na tsy vitany anio aza, tsy ho efainy rahampitso”. Lokin’ny hehy ny mpiangona nahare izany. Teo amin’ny firavana no nipoitrany fahasosoran’ny vahoaka. Nony tsikaritro manko fa marobe ny olona mizotra ho ary an-trano fisakafoanana dia notohiniko sy nobitsihako Rainivelo. Nanao “salanitra” ity mpanompo mahatoky ahy ka niteny tamin’ny feo avo hoe: “ izay nahazo ilay taratasy kely fanasana sisa manaraka ny mpanambady, fa vita eto ny an’ny rehetra è! “ Indreny nitodi-doha niverina ireo tsy nanana taratasy, ny kibo noana, ny tena vizana, ny toerana hodiana anefa mbola any ambadiky ny bonga. - Tsy mba hanasoaso io Ragova io intsony izahay, hoy ny sasany.

XCVI

65-Alarobia 24 marsa 1971; IV lah 4467 Tenin’ny noana izany lehireto à, hoy ny kivalavala. Rahefa voky ianareo tsy maintsy mandohalika eo anatrehany. _ Tsy mangoraka mihitsy anie iroa izy è. - Ianareo no tena tsy mangoraka ka! Olona anankiray no tadiavin’ialahy hamahana tantsaha an- jatony. Mitsiky ihany ny nify fa taolana. Fa efa hika ilay trano natao hisakafoanana. Alohan’ny hanombohan’ny korana dia nikabary aho. Nandimby ahy koa i Mose Sauvage. Ny azy moa ny kabariny dia tsy maintsy faranany amin’ny hoe: “ Aza maika hisara-toerana aminay vazaha ianareo Malagasy. Mijaly ianareo raha hilaozanay. Tsy mahasoa anareo ny fahaleovantena. Jereo ny fitiavana anareo: miara-misakafo isika, miray lovia, miray latabatra, miray dinidinika. Teo afovoan’ny sakafo, dia nitsangana aho fa te hanadroadro an-dRavalo.” “ Heveriko rey olona, hoy aho, fa ny olona tia tanindrazana toa an’Ingahy Ravalo mpampianatra, dia tsy maintsy faly, raha toa misy mpiray tanindrazana aminy nahazo soa ka nirotsahan’ny vintana. Noho izany, mangataka azy isika hampiseho amintsika ny hafaliany, amin’ny alalan’ny lahateny marevaka.” (Ny hanindrona azy amin’ny hoe naka an’i Nirinah tsy nahazo no nahatonga ahy hiteny toy izany) Horakoraka izao an-dry Maman Jaunie izao nahare izany. Ry Rainivelo nahavatra nively latabatra mihitsy. Nirinah kosas omary namikitra ny sandriko, toa te hivolana amiko hoe: ianao no diamondra, fa Ravalo maivan- kitsaka kosa, tavilotra. Papa Rambel irery no somary niondrika toa nitsetra iroa tovolahy manam- pahaizana, nefa niangaran’ny vintana. Tia an-dRavalo manko izy io, saingy tsy afa-manoatra. Malemilemy paika rahateo izy, hany ka tsy afa-hienjana, nony nivaravatra fiavy ry Maman Jaunie. Notehiriziny mangina tao am-pony ny fangorahany an-dRavalo. Fa nanao ahoana kosa Ravalo? Nivoara-menan’ny henatra và ny tarehiny? Nangovitra ny feony? Tsy nahajery olona và izy? Sanatria. Miaiky ny fahatonian-tsain’ity tovolahy ity aho. Tsy taitra akory izy fa nitsangana mora. Tsy nisoritra teny amin’ny andriny akory na tahotra na ahiahy.

_ 18-IZANY KA LEHILAHY 66_Alakamisy 25 marsa 1971, IV lah 4468 Tsy nisafo sirana akory izy. Nisokatra tamim- pahasahiana ny vavany; “ Faly tokoa aho raha manatrika tanora roa mahatsangy no ary ka nomen- pahaleovantena hanorina tokantrano.Vao mainka ho avo roa heny ny hafaliako raha ny zatovo mahaleo tena toy izao ho hikaroka fahaleovantena ho an’ izay nahalatsahan’ny tavoniny. Notarihin-dRabefilatro ny tehaka ka nanaraka koa ireo mpankasitraka an - dRagova eo amin’ny molony. Mba namitsoka koa Rambel. Nangasihasy fotsiny aho , raha azoko natao ny namely tehamaina ny takolaky Ravalo ho nataoko mihitsy.Nihidy vazana i Maman Jaunie raha nijery an’i Papa Rambel, sahy izany raha lehilahy”, hoy ny takoritsiky ny olona. “ Nahoana moa no tsy ho sahy ? Hoy Ravalo, nanampy indray. “Izy mivady iretsy ,hobiana sy toran- tsodrano amin’ izao fanorenany akany vaovao izao, ka isika Malagasy kosa nahoana no pempoina nony hitokantrano? Nihasahy koa ny vahoaka ka zary tsy nifandrenesana ny tehaka sy hoby. “Izany ka lehilahy”, hoy ny feo maromaro naningana tany ho any.Toy ny sifotra nalan- doha izahay sy Mose Sauvage. 19- Folaka ny mahery Nahatsiaro sempotra Rainivelo ka lasa naka hatsiatsiaka tany alatrano.Nifankahita izy sy Rainibango.noho io rangahy io mpanandro moa, dia nasain-dry Rainivelo nijoro teo am- baravarana izy, mba hitily izay mitady hanao ankasoparana anay sy Nirina. Ren-dRainibago tsara ny horakoraka tao an- trano ka nanontany an- dRainivelo izy: -Inona no anton’ izany akoralava izany, hoy izy - Ry zalahy mitady handroaka vazaha indray izao mampiseho adalana ety imasom- bahoaka izao , hoy Rainivelo -Hadalana ahoana, -Tsy tahotra tsy henatra fa mitaky fahaleovantena eo anatrehan’ny Admisy sy Ragova izy. -Sahiny ve izany, 67- Zoma 26 marsa 1971, I V lah 4469 Sahiny tokoa.Kely hatoka anie ilay Ravalo io - Ka ahoana? Hoy ny Admisy sy !Ragova - Tezitra mafy izy roalahy,saingy tsy afa – manoatra.

XCVII

- Ary nahoana no mitehaka ny vahoaka? -Betsaka anie no voataonan- dRavalo homba azy sy hanaraka ny diany - Ampiasao mihitsy ny “Ambalavelona” mba hampikombom- bava mandrakizay an- dRavalo. - Ary Rabefilatro mba ahoana, -Ilay tsy mena mivadika toa ravin- tseva io indrindra no mitarika ny tehaka sy ny horakoraka. - Ho karakaraina izany ny iray amin’ izy roalahy- - Na voapaokanao daholo aza ny roa tsy maninona. - Dia mitombo ny saran- dakana? - Matokia manana ahy ary na ny volana aza irinao hatao sahafa tsy tsy maninona fa ho takarintsika .Saingy omeo famononana eritreritra aho aloha . - inona izany? - Matimaty mangotraka -Hay zava- pisotro mahery ? Avia ary raha izany foana no mampangetaheta anao. Nentin- drainivelo tao amin’ny efitra nisy ny zava- pisotro Rainibango, ka notolorany zinga. Ny tamin’ irony toaka fotsy ireo no sady manao gok’ omby ilay mpimasy no manome toky an- dRainivelo; - Eo amin’ny malo- dohasaha eo no hamarananako ny andron- dRavalo sy Rabefilatro, hoy izy. - Tsara izany , hoy Rainivelo .Ndeha hisaraka aloha isika, sao misy mahatsikaritra ny tsiambara telo. Namonjy ny toerany Rainivelo, fa Rainibango kosa nivezivezy teo alatrano, toa mitanika teti-dratsy. -Hibontsina anio ny kitapom- bolako, hoy izy. Any ankoatry ny fasana no asaiko mitady fahaleovantena Rabefilatro sy Ravalo. Fa mba hitomboan’ny fahasahiako, avelao hafanaina amin’ny toaka indray ny vavany.Nitsaitsaika nankao amin’ ilay efitra nitondran- dRainivelo azy Rainibango. Isaky ny mandingana indray mandeha izy, miherika foana ,sao misy mpahita.. 68- Sabotsy 27 marsa 1971, IV lah 4470 Avy hatrany dia nobedainy ny tavoahangy sendra azy, nezahiny nogohina ny tao anatiny. - Mahery izy izany, hoy izy,nefa itony indrindra no ilaoko. Vetivety foana ilay tavoahangy dia foana. Nitsoriaka teny alatrano teny alatrano izy ka namonjy alokaloka teo am- poto- kazo. Nirepirepy ny lehilahy dia niankarapoka. Niomehy ny olona sendra nahitra azy. - Resy iroa ingahirainy, hoy ny tovolahy. Nitangoronan’ny olona Rainibango. Nivandravandra ny masony.Nitsipatsipaka ny tongony “ FOLAKA NY MAHERY” hoy ny teny naverimberiny .Dia nihanalefaka ny fihetsiny, nihidy ny vazany.Tsy tafarina intsony izy. Nihena ny fitempon’ny fony. Farany, nikopak’ elatra nandao azy ny ainy. Maty Rainibango. “Alcool” mirehitra hainka ity nataony gok’ omby; - Inona no anton’ izao hoy aho tamin-dRainivelo? - Nikasa hamorika izy, kanjo angamba sendra ny mahery noho izy, hoy Rainivelo. - Izay no tsy mampisy hasina ny odinareo, hoy aho,nifoasan’ny hatezerana .Ny mpidera tena ho mahery indray itony no folaka. 10-MIARA- MIASA ISIKA Ny ampitson’ iny ihany dia novoriako ny vahoaka. Nanao kabary mafonja aho. Tsy nokasihako tamin’ny fitenenana ilay fitakiana fahaleovantena napoitran- dRavalo teo anatrehan’ i Mose Sauvage. Ny fisaorana ny fokonolona, noho ny andraikitra nosahaniny tamin’ny fanafanàna ny lanonana, no nataoko safovavany. Avy eo dia nolakamoiko am- pahibemaso ireo mpanao hitsak’ andro sy mpamokony. “ Ireo no tena fanetribem- pirenena, hoy aho. Midera tena ho kinga sy mahay izy ireny, kanefa tsy mahasitrana akory. Raha marary ianao ny dokotera vonjena , ny hopitaly hatonina .Alaviro irony mpanazary tsy nahita fianarana irony. Ny kibonao no marary kanefa ny faladianao no hosorany menaka. Lazaiko aminareo koa fa tsy mandaitra ny fanafody , raha tsy mikasika ny tena.. Aza mino irony raodia irony : vovoka hitsahana và no endasina dia hivonto ny tongotra? Mpanao varo- draikiraiky ireny mpanazary ireny. Tsy mahafaty am- pitsanganana izy, tsy mahay mandatsa – baratra izy, tsy voatohany ny havandra miraraka. Ny hihinana ny volanareo fotsiny no imasoany . Taperin’ izy ireny ny harenareo. 69- Alatsinainy 28 martsa Nitsangana namaly kabary Rainivelo. Araka ny mahazatra azy dia nataony variraraka ny ohabolana. Tsy nankato avy hatrany ny teniko anefa izy fa niolakolaka .

XCVIII

- Marina tokoa ny tsangan- kevitrao Ragova, hoy izy. Betsaka ny mpimasy, nefa vitsy no mahay. Ny sasany vonon- kihinana ny tantsaha fotsiny. Dokafany ery ny fanafodiny, nefa tsy nohadininy tamin’ny vazimba sy ny fatin’ny razan’ andriana akory. Vao mainka niempo ny hatezerako nahare izany .- - Tsy manan- kasina ny vazimba hoy aho, nahoana izy fony velona naripak’ Andriamanelo tamin’ny lefona , nefa tsy nahatohitra? Ireny olona manely hoe: “ misy vazimba atsy sy aroa” dia olona fetsilahy. Tiany ho volena io tany io ka ampitahoriny ianareo tsy hantsatoka angady eo. Raha ny fatin’ny razan’ andriana indray, ahoana no hinoako fa afaka miaro ahy amin’ny loza ny vovoka eran’ny tanan’ ila? Ahoana no hinoako fa mahasitrana ny aretiko ny lavenona ao am- pasana? Aza arebireby ny olona Rainivelo.Jereo tamin’ny fitsarana miaramila . Na nohosoran’ny mpamokomy toton’ ody hatrany an – tampon-dohany ka hatrany am- paladiany aza ny tovolahy maro, lany ihany nony nandalo fitsarana. Nilaza anefa ianareo fa hanjary takotra na sahafa ireny, rahefa lanjaina eo ambony mizana.Saino kely indray ny amin’ ireo sadiavahy nandroba tery an –drefantrano. Nisy nanizingizina fa manjary rano ny bala itifirana azy, nefa moa tsy natrehin’ny masonareo ny nanaovan’ny milisy azy vonomoka.Tsy mandaitra ny toton’ odin’ny mpanazary. Zava – poana ny vorika tanisain’ny mpamokony. Manomboka anio dia hanao sava hao ireny mpamita- bahoaka ireny aho. Ataoko sambo- balala main’ny andro ireny ary rahefa azoko dia ataoko horirika namonosan- kena, ka ho lany mbamin’ny fonosany; Tsy nahateny intsony ry Rainivelo sy ny tariny.Tsy sahy ningonongonona fa natahotra ahy. Izaho koa nihenjana mafy, fa tsy nanambitamby. Telo andro taorian’ izay dia nahatonga taratasy tao amiko Ravalo, Noheveriko fa fanantitranterana ny fangataham- pahaleovantena izy io , hany ka sorena ery aho teo am- pandrovitana ny valopy. Hafa anefa no tao anatiny. Sady nahafaly ahy no nahasosotra ahy koa. 70- Talata 30 marsa 1971, IV lah 4471 Naneho fisaorana tamiko Ravalo, noho ny nanazavako ny sain’ny Tantsaha ka nanabantiako ny ody sy ny azary , ny vorika, ny asan’ny mpamokony: “ Midera anao aho, hoy izy ,satria vitsy ny tomponarivo nahavita adidy masina toa anao. Ny maro mantsy dia mihevitra fa rahefa voataky ny hetra, rahefa tontosa ny baikon’ny mpifehy ambony, rahefa mandry fahalemana ny tany dia vita ny asany. Hadinon’ izy ireny fa manana andraikitra makadiry anie izy ireo amin’ny fanatsarana ny toe- piainan’ny Tantsaha? Na voaoriana aza ny hopitaly, kanefa ny Tantsaha tsy te hiditra any ho –tsaboina, fa aleony manatona mpimasy, na tafatsangana aza ny sekoly, kanefa tsy mameno dabilio ireo zanaky ny Tantsaha fa aleony miandry omby sy mitaon- jezika, handroso và ny firenena amin’ izany? Misaotra anao aho, Tompokolahy fa tratranao ny tarigetra ambony. Fantatro fa ahazoana medaly sy voninahitra eo amin’ny asanareo ,dia ny fanarahana am-bokony ny baikon’ny filoham- paritany, ny fanodinana ny loham- bahoaka tsy ankasitrahan’ny fahaleovantena , kanefa hiroso ho amin’ny tena fampivoaram- pirenena ianao. Ho maro anie ny tomponarivo haka tahaka izao fihetsikao izao. Misy mantsy tsy ny hanavotra ny Tantsaha kosa . Tsy mba mitsidika ny Tantsaha izy ireny, raha tsy haka ny anjara “ lohan- kisoany” amin’ny fotoam- pamadihana.Tsy fantany ny fahorian’ny Tantsaha sy ny hetahetan’ny Tantsaha. Nitsikitsiky ery aho namaky io tapany voalohany io. “ hay mba niaiky ihany ny fahavalo! Hoy aho.Hay mba mankasitraka ny asany ihany izy ireny!” Fa ny nahasosotra ahy dia ny tapany faharoa; Hoy mantsy Ravalo: Na dia tsy mitovy hevitra sy sori- dalana politika aza isika, tsikaritro fa mitovy tarigetra aminay ihany ianareo, dia ny hanainga ny Tantsaha.Tsy irery ny HT fa manana anareo mpanampy. Mpirahalahy mizara dian’ omby isika tsy vaky fa mitsiatra. Tsapanay fa MIARA- MIASA ISIKA

21- TSY AZO TOHERINA NY MARINA Nisosa tsy niato ny andro sy ny alina. Tsy azo tanana moa izy na iza faly, na iza tezitra , na iza manjoretra. 71- Alarobia 31 marsa 1971, IV lah 4472 Ilay trano sekolim- bahoaka ka nampianaran- dRavalo dia trano antitra; ny rindrina efa mivava, ny tafony, tanimanga vakivavaky, ny tapenaka, madiva hisotro ronono.Izahay tsy nikarakara, ny fokonolona tarihin- dRainivelo ninia nanampim-tsofina tsy hihaino ny fangataham- panaovana naroson- dRavalo teo anoloany. Rahefa nodisain’ny ranonoram- pahavaratra misesy ilay trano dia nianjera. Soa ihany fa alina no nikoa izy ka ny dabilio no montsana, ny tabilao potika. Tanteraka ny faniriany, satria ho montsana aminy koa ny Fikambanan’ny HT. Nafindran’ny fanjakana toerana Ravalo malaza. Lavo ny vatan- kininina mijoalajoala ka nanjoretra ny vorona mpialokaloka , teo ambony sampany mielo ravi- maitso .Sekolim- bahoaka, va nosokafana tao Antotohazo no nanendrena an’ ity Tovolahy . Totorebika izany anay rehetra izany nahita azy niainga. Toy ny nivoaham- paty ny tao amin’ny Akanian’ny Firahalahiana.Rabefilatro no notendren- dry zareo tampoka ho filoha lefitra, niadidy ny raharaha. Nomen’ny Fikambanana karama

XCIX raikitra izy, sa voarebirebin’ny tsy fananana antom- pivelomana hanao sotrobe lava tango; Rabefilatro anefa dia azo lazaina ho vorondolo nanjary voromanga. Ny fifampikasokasohany tamin- dRavalo no nahatonga azy ho olo- marina. Marobe mantsy ny tombotsoa noraisiny tamin’ itsy Tonian’ny HT . Ny fari- pahaizany mitombo, ilay izy tsy nahafantatra afa – tsy ny “introspection”, nanjary afa- nandray anjara, raha nisy adihevitra psikolojika, nanjary mpankafy ny moraly sy ny metafizika .Ilay izy tsy nahatakatra afa – tsy ny tragedien’i Corneille, nanjary mpandalina ny Literatioran’ny taonjato fahavaloambinifolo sy faharoapolo nanjary nahay nanavaka ny “romantisma” sy ny “parnasse” ary ny “symbolisme”. Ilay izy rano-tapa –tsiny nikobana fahiny, nanjary erany marin- toerana. Ravalo no nampianatra azy. Ravalo no niantoka ny fahavelomany. Ravalo no nanefy azy ho olona takian’ ny firenena. -Apetraho amiko ny fitokisanareo hoy Rabefilatro. Tsy hamadika an’ Andriamatoa Ravalo aho mandra- pialan’ny fofon’ aiko farany. Dia nionona tamin’ny zahatra ry zareo HT nony nilaozan’ny lakana. 72_ Alakamisy 01 aprily1971, IV lah 4473 Fa tsy nahomby firy ny fikasako hamongotra ny asa feno fanambakana fanaon’ny mpimasy. Naelin- dRainivelo mantsy fa nandaitra, hono, ny fanafodin’Itompokolahy Rainibango, satria nianjera ny sekoly ary voafindra toerana Ravalo. Tsy nisy tsy nino izany ny vahoaka. Isan’ alina dia nirohotra mankany amin’ny fasan-dRainibango ry Rainivelo sy ny tariny, mba hivavaka sy hamono akoholahy mena. Henoko izany taty aoriana ka nanapa-kevitra hanafay ireo mafy hatoka ireo aho. Tsy nila namana aho fa ny basim-borona fitondrako mihaza no nataoko an-tsoroka. Niafina tao anaty lobolobo, akaikin’ny fasana aho ka tao no niandry an-dry Rainivelo. Tsy hamono olona no nokasaiko hatao, fa hampitahotra fotsiny. Somambisamby ny alina tamin’izay. Semban-drahona ny volana ka tsy afa- nanapariaka ny tarany. Ny kintana koa aza toa nanafina ny fanalany mitsilopilopy. Nanjaka tanteraka ny fahanginana. Ny mba saiky hanongana azy teo amin’ny fiketrahany dia ny fililiotran’angelikary basivava, saingy tsy nahomby. Namitsaka tao anaty ambiaty, tokony ho taka-toraka avy eo amin’ny fasan- dRainibango aho. Indreny ry Rainivelo maizin-tsaina. Kotomanga no lohalaharana. Misy am-polony izy ireo. Vao tonga izy rehetra dia mitomany nigogogogo. Ny sasany nitanisa hoe; nilaozanao izahay ry Ikaky ka zary sara-kavan-tiana. Tsy misy tsy mihaiky ny fahaizanao anefa. Nafindranao toerana Ravalo. Nandresy ianao ary mankasitraka ny vitanao izahay rehetra.” Avy eo dia nohosoran’izy rehetra tantely ny vatom-pasana. Namono akoholahy izy ka natentiny tetsy sy teroa ny rà. Dia noraisin’Ikotomanga ny taralila ka notendreny. Nihozongozon-doha teo an-doha-fasana Rainivelo sady namitsoka hoe:“ Izao no tenin- dRainibango rey olona: tsy maintsy lany ringana, hono, ny H.T. Tsy maintsy toherinany tenin-dRagova, izay sahy mamotsifotsy ny mpamokony no sady manao zinona ny vazimba.” Vao nahare izay aho dia nasain’ny hatezerako nandao ilay lobolobo niereko. Sady nihazakazaka nanantona aho no napoakako, nataoko savoan-danitra ny basiko. 73_ Zoma 02 Aprily 1971, IV lah 4474 Vao nahare ny feom-basy ry zareo dia “ento aho rey tongotro”, hoy izy rehetra. Henoko tsara ny feon’ny anankiray nigaosy tamin’ny hoe “ samia manao amboa ditsika, sao mihinana dimy andro am-ponja”. Tsy nahoan’izy rehetra intsony na tan-drano, na hady, na tsilon-kavoatra. Tamim-pahatairana no niridanany, hany ka be no lavon’ny horom-potsy. Rainivelo sy Kotomanga no voa mafy indrindra. Rainivelo nianjera tao anaty lavaka fandorana ny ondan’ny maty.Raha ndeha handingana azy koa anefa i Kotomanga dia voafingan’ny malabariny, hany ka lavo teo ambonin-dRainivelo.Tazako tsara izany, notsiloviko tamin’ny jiro fanao am-paosy. Ninia tsy nanaraka azy rehetra anefa ny tenako. Miantso “vonjeo” izy roalahy ka nosarihan’ireo namany avy ao anaty lavaka ary nataony lanjakisoa nandositra. Hehy moa izany ny ahy, raha nahatsikaritra izato fahavoazany. Vao dify izy rehetra dia ny lalana mody no nasiako olona. - Avy aiza ianao? hoy i Nirinah. - Avy nanafay an-dry Rainivelo mafy hatoka, hoy aho. - Fa inona no nataony? - Nivavaka tatsy amin’ny fasan-dRainibango izy nefa vao omaly no omaly aho no nilaza taminy ny tsy fandaitran’ny ody amidin’ny mpimasy. - Terenao hankahala ny mpanao hitsak’andro izany izy? - Satria izany no habadoana tsy maintsy resena ety ambanivohitra. - Hay ianao mba manohitra an-dRavalo foana, nefa mitovy tarigetra aminy. - Mitovy tarigetra ahoana? - Samy mitady hevitra handresena ny habadoana, fa te “ Hanainga ny tantsaha”.

C

Tankina tsy nahateny aho. Tsapako ny fahamarin’ny tenin’i Nirinah. TSY AZO TOHERINA NY MARINA. 22- TSY MAINTSY MISY NY FIVOARANA Nitondra takaitra nandritra ny volana maromaro Rainivelo sy Kotomanga. Rainivelo nanjary kolepaka ary Kotomanga kosa tsapik’ila. Nanomboka tamin’iny alina nanenjehako azy iny koa anefa dia nitsiry tao am-pon’izy roalahy ny tsy fitiavana ahy. 74_Sabotsy 03 aprily 1971, IV lah 4475 « Izao ve no mba valim-pitia omena anay, hoy hono ny ngonongonon-dRainivelo. Izahay anefa no tena mpanantotosa ny baikon’io Governera io. Be ny tsy rariny nampanaoviny anay: nitaky omby iray amin’ireo Tantsaha mahantra, ho fanomezana azy amin’ny tonon-taona; manaratsy ny “fahaleovantena” ombieny, ombieny. “Ny ahy aza no tena fahotana mahafaty, hoy Kotomanga. Efa nataoko ny nanodinkodina lohan-jazavavy maro ho tia an-dRagova”. - Ndeha lehiroa mba hanao ny marina sy ny hitsiny amin’ny sisa, hoy Rainivelo. - Atoroy ary ny lalana. - Ndeha mba hirotsaka hitaky ny fahaleovantenan’i Madagasikara. - Manonofy ve ianao ity ho tairiko è? - Izay rehetra mitady ny soa ho an’ny tanindrazany anie leitsy jereo fa toa ambinina sy tarafin’ny vintana è! Ravalo irony, maka tahaka ny sodifafana, atsipy any an-kady vao mandohalika. Ry Ndrembaliha, enjehina isan’andro vaky, nefa toa vao mainka mamalalana. Isika mpanao tsindry hazo lena kosa, toa mifandimby mibaby kitra.Rainibango main’ny afo natsangany. Izaho tonga kolepaka.Ialahy toa ho lany zara, satria tsapik’ila.Ndeha mba hiova ho olo-marina lehiroa. - Hanantevina ny H.T.izany? - Na tsy hisoratra anarana ho mpikambana aza, ndeha mihitsy hitaky ny Fahaleovantena. - Dia hanjary fahavalon-dRagova sy ny Admisy isika. - Inona anefa no mba tombotsoa voaraintsika tamin’izy roalahy ireny è? Tahaka ny zana-tohatra isika: nampakatra, nefa tsy tafakatra. Ireo manosihosy antsika no zary mandia, fa isika kimavoka lava eny. - Nahoana anefa Ragova sy ny Admisy no olona ambony fahaizana, nefa tsy mba maniry ny Fahaleovantena? - Matahotra ny “kapoakany ho very” izy. Izao izy afa-manampatra ny didiko fe lehibe, afa-manao ny danin’ny kibony. Izay manirikiry azy, haidiny an-tranomaizina mandritra ny dimy andro. Ny Fokonolona tereny hanao ny asany: mikarakara sakafo, mamahana ny biby ompiana, mamaky kitay, manompo ny rafozany. - Fa ahoana kosa rahefa tonga ny Fahaleovantena? 75- alatsinainy 05 aprily 1971, IV lah 4476 Miova daholo izany rehetra izany. Tsy ny vahoaka no ho tompoiny, fa izy kosa no hanompo ny vahoaka. - Hay kosa tsara izany Fahaleovantena? - Tsara saingy hodian-dry zareo haratsiana, satria tsy tiany hitovy zo sy sata amintsika valalabemandry. Nanantona mangina an-Dravalo teny Ilaka Rainivelo sy Kotomanga. Noborahiny taminy ny fikasan’izy roalahy. - Tsy hirotsaka amin’ny H.T. akory izahay, hoy izy roalahy fa hanampy anareo kosa hitaky ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. - Tsara izany, hoy Ravalo. Tsy ny fidirana ho isan’ny H.T. no maha-tia tanindrazana, fa ny fandraisana adidy hibata ity Nosy ity ho amin’ny toeram-pivoarana. Toy ny novakiam-baratra aho, raha nandre fa nanatevina ny laharan’ny mpitaky Fahaleovantena Rainivelo sy Kotomanga, mpanompo mahatoky ahy. Nampiantsoiko tao amin’ny biraoko izy roalahy. - Inona no anton’izany fiovana tampotampoka izany? hoy aho. - Leon’ny fanjanahantany ka hikaroka Fahaleovantena, hoy Rainivelo. - F’angaha rehefa mahaleo tena dia hiverin-dalana hivavaka amin’ny sampy? - Rahefa mahaleo tena dia olon’afaka tsy azo andevozina. - Diso aho izany, satria nisarika anareo tsy hivarina an-kady. - Tsy basy no enti-mamonjy ny mpanota, fa teny mamy sy torolalana. - Efa nianatra ny théorie fanaon’ny H.T. mantsy, hany ka mahay mamaly? - Tsy H.T. izahay fa mpikaroka ny Fahaleovantena fotsiny. - Fantatrao moa ny ho vokatr’izany amin’ny tenanao manokana?

CI

- Fantatro dia fantatro. Tsy maintsy roahinareo amin’ny asako aho, nefa aleoko “olo-mavomavo afaka” toy izay “mpitondra fanjakana andevozina”. 76-Talata 06 aprily 1971, IV lah 4477 Ary ialahy mba ahoana, ry Kotmanga?Ny tsy nahita fianarana tahaka an’ ialahy no handroaka vazaha! - Tsy handroaka vazaha Tompokolahy fa hitaky moramora ny fahaleovantena - Nefa tsy mahay abidy - Ary izay indrindra no anton’ny hikarohana Fahaleovantena. Any amin’ny firenena afaka, hono, atao anton-draharaha ny fiadiana amin’ny tsy fahaiza- mamaky teny. - Fa manantena ho lasa “goverinera” angaha izato izy, rahefa mahaleotena? - Tsy manantena ho lasa goverinera aho fa manantena kosa hiara- miasa amin’ny goverinera hendry, afa- manondrotra ny Tantsaha. - Dia tena HT hiringiriny izany, satria “ Hanainga ny Tantsaha “ no fenitra hotratrarina. - Izay filazanao azy tsy maninona. - Mba fantatr’ ialahy moa ny hevitry Ravalo amin’ny fanafohezan- teny hoe “HT “ io? - Hanaina ny Tantsaha tompoko; Laingany izany, Izao no kendreny: “Hikomy ny Tantsaha” -Sanatria Tompokolahy -Tsy adaladala monina Ankaratra akory izahay leity ka tsy hahalala sahondra ho vaky. -Na topazanao fotaka aza ny volamena tsy maintsy hihiratra ihany -Andraso ary ny firefotry ny vanja Gaga dia gaga ry zareo HT , raha nahafantatra fa nilaozan-dRainivelo sy Kotomanga izahay sy ny Admisy. - Ahoana ihany ny momba izany Ramose? Hoy Ndrembaliha - Rahefa be no tezitra TSY MAINTSY MISY NY FIVOARANA, hoy Ravalo. 23- ZAZAVAVY MPANAO POLOTIKA Tsy nanambitamby an- dRainivelo sy Kotomanga aho. “Tanala very sampy ka ny manova no mety”, hoy ny avonavoko.Nanendry mpiadidy hisolo an- dRainivelo aho. Tsy nantsoiko hifidy ny vahoaka sao ry Ndrembaliha no omeny ny vatony. Nokarakaraiko koa ny famelomana ny sekoly Saingona. Tsy tantiko mantsy ilay ebon- dry Rainivelo hoe: “ nony lasa izahay dia tsy nahavita na inona na inona ry Ragova” .Nandefa filazana tan- gazety aho ho enti- mitady mpampianatra. 77_ Alarobia 07 aprily 1971, IV lah 4478 Iray volana taorian’izay dia tanteraka ny faniriako. Inty tonga tao amin’ny biraoko ny zazavavy iray mbola eo amin’ny fanjan’ny hatanorany. Rahely no anarany. Vao nahazo ny diplaoma mahampampianatra izy. Izy tsy sarotiny tamin’ ny karama, izaho koa tsy afa – niady varotra, satria toa manararaotra azy. Fa tsara tarehy tokoa ilay zanak’ olona. Makà anjely iray diso fidirana tany an- danitra, ka nanjary nifandrombahan’ny eto an- tany ho jerena. Ento mampihaingo azy ny volo manonja mahalankalana, toy ny ranon’ny Pangalana: ny maso boribory toy ny fenomanana irina aharitra, ny takolaka manopy mea moa và tsy ny vonindraozy sangian’ ny tsiokan’ny maraina , ny tsanganana tsy maronja, nefa tsy zeny.

Saiky fanina aho raha niresaka taminy nandritra ny telopolo minitra. Raha mahazo naoty roambinifolo i Nirinah; mendrika ny zazavavy vahiny kosa ny fitoambinifolo. Na i Nirinah aza mantsy dia toa nilendalenda nahita ny endrik’ ity mpampianatra . - Iza no anaran’ ity mpampianatra vavy? hoy izy tamiko. - Rahely hoy aho - Tsara tarehy kosa iry Rahelinareo, hoy izy. Sady tanora ambony diplaoma. - Fa angaha ny tarehiny no jerena tsy ny fahaizany , hoy aho. - Mba kilalaon’ny maso adala ihany anefa ny tarehy tsara; - Maso adalan’ iza? - Maso adalan- dRagova na ny Admisy, hoy Nirinah sady nanao fara- hehy izy no nirintona nankany an’ efitra hafa. - Hatramin’io fotoana io dia tsapako teraka tao am- pon’i Nirinah ny hasarotam- piaro . Izaho anefa toa niraikiraiky hafahafa isaky ny mihaona amin- dRahely. Matetika aho no miteny irery hoe: - Izaho ve no lasa aloha , sa ny vintana no mitaraiky, Fa vao niasa herinandro i Rahely dia babony na ny fon’ny mpianatra na ny an’ny ray aman-dreny. Feno hipoka ny sekoly saingona sady nifindra tao daholo moa ireo mpianatra nilaozan- dRavalo. Nino aho fa nahazo olona mahery ara- tsaina, afaka hifampitana amin-dry Rabefilatro. Nino aho fa ho tapaka amin’izay ny lelan’ny HT. Kanjo, ny tsy nampoiziko no niseho.

CII

79- Zoma 09 aprily 1971, IV lah4480 Bandenina , toy ny nodonina ny fively ny lohako teo am- pihainoana izany. - Ajanony aloha izany fanaingana ny tantsaha izany, hoy aho. - Raha izany no atao ambin- dresaka, hoy izy dia voatery hisara – toerana isika. Matoa ny tenako malemy toy itony midina aty anaty akata aty, ny hanavotra ny Tantsaha no zava- kendreko. Izay ihany no anton’ny nandavako ny hanorina tokantrano. - F’ angaha ianao efa nisy nangataka ho vady? - Efa maro no naniry izany fa nolaviko daholo; -Nahoana? - Tsy hiara- dalana amin’ irony olona matimatim- bola sy voninahitra irony aho. Izy revo mandihy eo anivon’ny fanjanahantany, nefa ny namany kosa mifia – dranomaso eo ambany ziogan’ny fanandevozana. -Fitiavana anie no resahintsika fa tsy fahaleovantena akory è! -Ny fitiavana mizotra amin’ny lalam-bolamenan’ny Fahaleovantena no sambatra indrindra. -Raha nolavinao daholo ireo nangataka anao taloha , iza kosa no ekenao ankehitriny? - Any izy, mbola afinafenina. -Iza ?ary avy aiza ? - Ny anarany mbola tsy fantatra .Avy eo amin’ny toerana mangetaheta Fahaleovantena no nipoirany . - Izany hoe… - Izany hoe: tsy mbola manana fofombady aho, nefa kosa tsy tia, tsy ho tia ary tsy hanambady afa - tsy izay sahy manao ny ainy tsy ho zavatra hampivondrona ny namany hitaky amim- pahendrena, tsy misy rà latsaka ny Fahaleovantan’i Madagasikara. Niala maina aho fa sendra ZAZAVAVY MPANAO POLITIKA? Manao ambin- javatra ny fitiavana eo anoloan’ny firenena. 24: FAHAVALO AO AN – TRANO Fa tany ho any kosa, nisy nanarangarana ny fihetsiko: Nirinah sy Ramavo ireo.Vao dify Rahely dia nanao komity tao an’ efitra tsara hidy izy mianaka. 80_ Talata 13 aprily 1971, IV lah 4482 Ho ravan’ Ikalaratsy iny ry Maman ny tokantranoko, hoy Nirnah. - Lalina tokoa anaka hoy Jaunie . Tojo ny akanga tsara soratra ity Ragova. - Ka ahoana ny hevitra? - Ndeha ampiasaina “manara-damba”sy “malai- miaraka” - Tsy andairan’ny ody fitia ny olona toa an-dry Ragova - Ndeha ary hatao izay hahaleomonina ity mpampianatra vavy. - Izany ahay, inona ary no atao? - Samià manomana tetik’ ady fa ny zava- kendrena dia tokana monja “ hatao sesi-dohalika Ikalaratsy” - Tsy ratsy akory iry izy fa tena zavatra è!” Ary izay indrindra no tokony hanosehana azy haingana. Raha maharitra ety iny, lasany ny fanjakantsika. Tsapako mihitsy fa tia azy Ragova. Sao sitrakao kosa ny hanamboarana ny lohan- dRagova ? Ny olona tiana tsy soa hanaovana ankaso. Iry zazavavy ihany no avelao ho fandrihana, fa Ragova aza tohintohinina . - Samia ary miasa mangina ka rahefa resy tosika ilay rafivavy, vao manao dihy valotra isika mpandresy. Fa haningana taona iray ny tantara. Ningadona ny 1947, vanin’ andro tsy hay hadinoinaamin’ny tantaran’i Madagasikara.Voasambotra ireo mpitaky ny fahaleovantena. Anisan’ ireny Ravalo sy ireo filohandohan’ny HT.Navadikay ny hoe“ Hanainga ny Tantsaha” ka nadikanay hoe : “ Hikomy ny Tantsaha” . Vao tafiditra am- ponja Ravalo sy Ndrembaliha dia nanao fialan’ny jiosy ireo mpikambana sisa. Rabefilatro sisa nikiry hampijoro ny HT nefa nataonay rohifoza koa. Mpikambana telopolo tamin’ny HT no nameno ny tranomaizin’ Antanimora. Isan’ izany Beravony , Rainivelo , Kotomanga. Nandihizanay ny kianja satria resy ny ankilany. Lalina ny fahoriana nianjady tamin’ iroa fianakavian’ny HT.Ny zaza amam-behivavy indray nanjary nirotsaka hiady amin’ny fiainana, satria voarohy ny lehilfahy mpihary. Noheveriko fa hangataka eny amin’ny arabe mihitsy ny vadin’ ireo mpigadra politika, kanefa gaga aho, raha toa izy ireo mbola mahita vary iray lovia, haterina ho an’ ireo raim- pianakaviana. 81_ Alarobia 14 aprily 1971, IV lah 4483 “Misy manohana sy manampy ny HT ve? Hoy aho. Tato aoriana elabe efa nandry ny tany vao fantatro fa hay aho namelon- jana – baratra no sady nandranitra antsy handidiana ny tendako. Hainka i Mamonjely Rahely no nanampy ankolaka ny fianakaviann’ ny mpigadra politika. Hainka ny karamany, natokany

CIII

mihisy hanavotana ny HT. Hainka ny nidinany hiasa tao Ankazobe,ny ahazoany manohana manokana ny HT.Tena nitahiry: “ FAHAVALO AN- TRANO” marina aho 25 – ELA NITORATORAHANA

Nitombo dia nitombo ny fialonan’i Nirinah mianaka an- dRahely . Samy niasa mangina ho enti- mampianjera iroa tsy manantsiny izy mianaka tsy mataho – tody. Ny fomba nampiasain’i Nirinah dia tsotra: hazera ny Sekoly Saingona fa harefa mikoa io tsy maintsy mankany an- toeran- kafa iroa mpampianatra vavy. Nanakarama olona iray Nirinah hantontosa ny raharaha.I Maizinandro mpanombikena no nanaiky hanao ilay “ asa maizina” tahaky ny anarany.. - Tanisao amiko ary izay tokony hataoko hoy i Maizinandro. - Hararaoty ny ali- mangina , hoy Nirinah ka doroy ny Sekoly Saingona. - Zava- tsarotra izany ka lazao mialoha ny karama - Telonjato ry Maizinandro Mitsiky vendrana i Maizinandro -Vonona ary aho fa rahoviana no hanainga hoy izy. - Rahampitso, hoy Nirinah. Tandremo sao misy mahita. - Ary ahoana no fomba handoroako azy. - Mikaroa hevitra Izaho tsy miraharaha afa - tsy ny zava- bita. - Eny ary fa ataovy an- tanana ny vola telon- jato è! Faharifirin’ izay heloka nataoko anefa izany?

Fa i Maman Jaunie koa mba nanao maty paika ny teti- dratsiny. Tsy mba nanakarama olona izy fa ny tenany mihitsy no nitonona hanatanteraka ny heviny. - Nahoana aho no handany vola? Hoy ny eritreriny. Tsy azo itokiana rahateo ny olona karamaina. Ny hanendrikendrika an- dRahely ho mpangalatra ny heviny. Noveleziny ny vy dieny mafana. 82-Alakamisy 15 aprily 1971, IV lah 4484 Ny ampitso maraina dia nisaodisaody teo amin’ny biraoko i Maman Jaunie. Fotoana nahalasam- borona ahy mihitsy tamin’ izay, hany ka raha sendra nakany alatrano aho, dia hadinoko ny nanidy ny “coffre” nisy ny vola. Nitsoriaka toy ny sakai i Maman Jaunie, notsehiny ny vola dimy alina am- pehezany dia toy ny tsy teo izy. Tsy nahamarika ny fahaverezan’io vola io aho, nony niditra , fa ny nampirina ireo vola am- pehezany maro tao amin’ny “coffre” no nataoko, ary nohidiako ny vatam- bola . Ny harivan’iny dia notanterahin’i Maman Jaunie ny teti- dratsiny . Teo amin’ny tsy ahitan- tsoratr’ omby izy no nitsaitsika hivoaka ny trano. Nanitsy nianatsimo nankany amin’ny Sekoly Saingona izy. Nopotsihiny ny varavaran- kely dia niditra moramora izy. Nanatona ny biraon- dRahely iroa vehivavy ratsy saina. Nosokafany ny vata sarihana dia natsofony tao ny vola dimy alina ariary. Rahefa fantatra mantsy fa nahaverezana dimyalina ny volam-panjakana, dia tsy maintsy handeha ny fisavana.Hitoroka an-dRahely amin’ny fomba malalaka i Maman Jaunie. Hatao hatrany am-pianarana ny fisavana ka ho tra-tehaka Rahely, satria ao amin’ny vata sarihany no miafina ny dimy alina farantsa. Raha niomana handeha indrindra i Maman Jaunie, satria vita ny nataony, injay henony nisy ningadona any alatrano. Vetivety foana, indro nisy hazavana be nanakatra ny vaza-trano. Noheverin’i Maman Jaunie fa olona nahita ny idirany no nandrehitra fanilo nikaroka azy, hany ka nifitsaka tao ambany latabatra izy. Tsy fantany mantsy fa i Maizinandro io manao ny asa ratsiny io.Tsy nifamotoana ireto ratsy vintana anankiroa. I Maman Jaunie tsy mahafantatra izay tetik’i Nirinah, momba ny fanakaramana an’i Maizinandro handoro ny Sekoly Saingona. Maizinandro tsy nahatsikaritra ny nitsofohan’i Maman Jaunie ao an-dakilasy. Niredareda ny afo fa maina ny tapenaka. Izay vao hitan’i Maman Jaunie fa may ity trano sekoly misy azy ity. Nitady lalana hivoahana izy fa dotra.Noheverin’i Maizinadro anefa fa ilay mpampianatra irery no trà- tehaka ao an-dakilasy, hany ka novonjeny nohidiana avy ety ivelany ilay varavarankely nopitsohin’i Maman Jaunie. 83- Zoma 16 aprily 1971, IV lah 4485 Avelao ho kila forehitra any iny zazavavy iny, hoy Maizinandro nipiakelika. Pao-droa ny raharaha; ny sekoly may, ilay mpampianatra voarambin’ny afo. Hangataka fisondrotan-karama aho, fa tsy ampy ilay vola telonjato. Niantso vonjeo i Maman Jaunie. Andraso ny farany hoy i Maizinandro. Nanenika ny trano ny afo. Sempotra i Maman Jaunie ka niankarapoka. Matavy rahateo moa izy. Injay fa nianjera ny rairain- drihana. Nitsoaka nandositra i Maizinandro, sao tratra am-bodiomby. Nihazakazaka ny mpamonjy nahatazana ny filelalelan’ny afo. Vetivety dia feno olona ny tokotany. Novakian’ny lehilahy matanjaka

CIV tamin’ny baramina ny varavarana ka silaka. Nidiran’ireo mahery fo an-keriny tao an-trano, na dia nahatsiravina aza ny fidedaky ny afo sy ny hamaintin’ny setroka. Kila ny hazon-trano: forehitra ny fitambolanoro, nandavenona ny fanaka tao an-dakilasy, nanjary vainafo mivaivay ny varavarana. Indro eroa an-joron-trano misy nofo iray mivalandotra toa efa nandosiran’ny aina. Maman Jaunie io. - « Ny rafozan-dRagova » hoy ny antsoantso re hatrany alatrano.Voasinton’izany aho ka nanao anjolofo niditra. Inona anefa no nifanenan’ny masoko voalohany indrindra ? Vatana iray batain’ireo mpamonjy. - « Maman Jaunie » hoy aho. Toa taitra tampoka ilay nofo resy. - Eny hoy izy tamin’ny feo ambivitra. “ELA NITORATORAHANA reninao kanjo…” Dia tsy voatohiny intsony ny teniny. Nibanjina ahy ny masony.Nisento indroa izy dia vatana moana sisa azoko niankohofana.Maty i Maman Jaunie.

Tsy haiko tantaraina ny fahorian’i Nirinah sy Papa Rambel, raha nantsoina hanatrika izato hetraketraky ny fahafatesana izy mianaka. Efa nahadinika ny firotsaky ny ranonorana amin’ny ati-fahavaratra moa ianao? Toy izany ny fanoriky ny ranomason-dRangahy teo amin’ny takolany. Nirinah kosa, saiky nikipy mandrakizay ny masony satria adiny dimy vao velona avy amin’ny fahatoranany izy. Nanjary tranom-paty tampoka ilay trano sekoly famelomana ny saina. 84-Sabotsy 17 aprily 1971, IV lah4486 Maty tao ny anarana hoe: “Sekoly Saingona”, maty tao ny vola dimy alina, satria lasa lavenona, maty tao ny fanantenan’ny ray aman-dreny, satria toa mitady haka vahana ny habadoana, maty tao ilay ELA NITORAHANA, kanjo nahavoa voamason’angatra. 26- HASAROTAM-PIARO NITERA-DOZA Fa mazana mitohy ny orana mijononoka ary manampy ny fijojony ny kotro-baratra mampihovitra. Vao vita ny fandevenana an’i Maman Jaunie dia nipoitra ny fakana am-bavany mahafanina. Miaiky ny haranitry ny sain’ity Rahely ity ny tenako. Vao tsikariny fa nisy nandoro ny Sekoly Saingona dia ny hikaroka ny lohasaha nitsanganan’ny afo no nimasoany. Fantany manko fa tsy maintsy ny H.T. no mibaby ny heloka. Nilatsaka ho mpiaro ny H.T. tamin’ny fihetsika tsy mivantana iroa zazavavy. - Iza no tondroinao ho nandoro ny trano sekoly? Hoy izy tamiko. - Tsy maintsy ny mpikambana amin’ny H.T hoy aho. Mamaly faty izy ireo satria naiditra an- tranomaizina Ravalo sy ny tariny. - Aza mamono an-trebotrebony anefa. - Nahoana? - Tsy mbola fantatra marina ny meloka. - Afaka manome porofo va ianao? - Raha ny H.T. no nandoro ny sekoly, ahoana no nahatafiditra an’i Maman Jaunie tamin’ity heloka ity, ka namoizany ny ainy tao an-trano. - Nahiboky ny H.T tao izy, satria tiany ho forehitra. Izany no anton’ny nanidiany ny varavarana taty ivelany. - Tsy azo inoana izany, satria tsy vita tadimody Itompokovavy. Manarak’izany an’iza ilay volotsangana lavabe natao toy ny arendrina ka tavela teo am-baravaran-tsekoly? - Tsy maintsy an’ilay ratsy nandoro ny trano io. Narehiny tamin’iny hazo lava iny ny tapenaka. - Moa misy volotsangana maniry eto an-tanàna? 85- Alatsinainy 19 aprily 1971; IV lah 4487 Ao an-tokotanin’i Maizinandro no misy betsaka an’ireny, hoy ny lehilahy iray, sendra nanatrika teo. - Ndao ary isika ho any, hoy Rahely. Vao tonga teo an-tokotanin’i Maizinandro izahay dia niantso azy ny mpiadidy. - Mivoaha ialahy fa ilain’ny lehibe, hoy izy. Inty nipoitra avy ao an-tranony i Maizinandro: ny volony misaritaka, ny endriny toa indrakindrafana, ny feony mangovitra. - Nahoana ialahy no toa mangovitra ambony ihany, hoy aho. - Tsy mba tiako ny ahy io alain’ny manam-pahefana am-bavany io, hoy izy. Na tsy meloka aza ny tena, mibaradaka ihany rahefa manatrika ny sefo. - Apetraho ny fanontanianao hovaliany, hoy aho, tamin-dRahely. - Moa tsy teto aminao ity volotsangana lava ity hoy Rahely. Niankanankana i Maizinandro vao namaly. - Tsy izaho irery no manana volotsangana maniry fa maro, hoy izy.

CV

- Kanefa eto aminao ihany no misy itony karazany vaventy itony, hoy Rahely. Ny volotsangana maniry eny an-kafa, madinika sy mbola tanora daholo. - Tsy izaho no nandoro ny Sekoly Saingona tompoko. - Izaho anie tsy mitoroka anao è.Izao no fanontaniana faharoa asaiko valinao: nahoana no mitovy amin’iretsy mololo mitoby etsy amorom-pahitrao itsy amboara-mololo nafatotra tamin’ny tendron’ity volotsangana ity? - Mololo ataoko sakafon’omby ireo tompoko. - Ny teniko valiana fa aza mamily resaka ianao. - Heverinao fa izaho ve tompoko no nandoro ny Sekoly Saingona. - Mety ho ianao, mety koa ho tsy ianao. Fa ity no fanontaniana farany: moa tsy nividy afokasoka tao amin’ny trano fivarotan’i Ndrembaliha ianao ny harivan’iny andro nahamay ny sekoly iny? - Eny tompoko. Hampirehitra sigara aho manko. - Tsy mifoka sigara ianao fa mpihinam-paraky. 86-Talata 20 aprily 1971, IV lah 4488 Mifoka aho tompoko. - Tondroy ary izay mpivarotra nividiananao sigara. - Tsy nifoka aho tamin’iny andro iny. - Fa nampiasainao ho enti-mandrehitra iroa mololo voafatotra amin’ny hazo lava ny afokasoka an!... - Nentiko nandrehitra afo tao an-trano. - Ny mpifanolo-bodirindrina aminao dia mahalala fa otrik’afo no fanaonao. - Tsy nandoro ny Sekoly Saingona mihitsy aho Tompoko.Marina mafy! Toran’ny hehy ny olona niaraka taminay. Nisosososo nanantona teo kosa i Nirinah ka avy hatrany dia namitsoka hoe: - Tsy nandoro tokoa izy ry Mademozely kanefa nahoana no tananao mafy? - Izaho angaha ry Madama mitana azy, tsy vao manadina azy fotsiny, hoy Rahely. - Ny fividianany afokasoka sy ny fananany volotsangana maniry ve dia ampy ho porofo ny maha- meloka azy? - Henoinareo tsara aloha aho, vao manamarina an’i Maizinandro ianareo, hoy Rahely. Matoa mahina anie ny saka, nisy halatra nataony è. Matoa karikary maso ny olona iray mifanena amin’ny polisy angamba, ny karany no tsy voaloa. - Tantarao ary izay hitan’ny masonao, hoy Nirinah, somary nangarika. Tandremo ny angano antoandro. - Izaho koa tsy hitanisa ny tsy hitako, hoy Rahely. Matoa mijoro eto aho, tsy te-handefi-mana- mahitsy. Samia ary manongilan-tsofina. Izao avy no voamariko tamin’iny andro nahamaizan’ny Sekoly iny. Vao maraina, tokony ho tamin’ny dimy ora, dia naka boky sendra adinoko tany an-tsekoly aho. 87- alarobia 21 aprily 1971, IV lah 4489 Vao maraina, tokony ho tamin’ny dimy ora ,dia naka boky senda adinoko tany an- tany an-tsekoly aho. Tratrako nandinidinika ny karetsaka hidim- baravaravarakelin’ny Sekoly Itompokovavy Jaunie!.Niarahaba azy aho ary nanontany boe: “ maninona maraina ety an- tokontanim- pianarana izato maman” - Maka hatsiatsiaka aho anaka, hoy izy. Mijery ity varavarankelinareo koa aho fa tsoa tsy mihidy izy izany. -Itompokovavy reniko izany no heverinareo no nandoro sy Sekoly ? hoy Nirinah nitsatsaingoka. - aza tapahinao aloha madama ny teniko, fa aoka hitohy, hoy Rahely . Tamin’ny dimy ora sy sasany dia tazako nandalo i Maizinandro.Nilanja volotsangana lavabe iray izy. Raha nitsatoka hitsin’ny Sekoly indrindra izy,dia nandramany notakarina tamin’ iny ny havon’ny tapenaka. Tamin’ny fotoana nahamaizan’ny sekoly ,dia voamariko tsara fa tsy mba isan’ ireo mpamonjy , haintrano i Maizinandro. Nisokosoko nankeo akaikin’ny tokonam- baravarany aho mba hijery na ao an- tranony ihany izy na tsia . Tazako tsara ny nanakatonany ny tranony dia nihiboka tao an- tranony izy, na dia reny aza ny antsoantso hoe “ vonjeo” - dia sahinao izany ny mitompo teny fantatra fa i Maizinandro no nandoro ny Sekoly Saingona? Hoy Nirinah - Porofo iray farany sisa no ilaiko dia hilaza ny famaranan- kevitro aho, hoy rahely. Asaovy mankaty ramatoa Rasoafara , vadin’i Ndrembaliha. Vetivety foana dia tongan’ny fokonolona teo anoloan’ny rehetra Ramatoa Rasoafara; - Manontany anao aho Ramatoa Rasoafara ka lazao ny marina, hoy Rahely.Inona avy no voamarikao tamin’ny fihetsik’i Maizinandro tamin’ny andro nahamay ny sekoly?

CVI

- Nividy afokasoka tao amiko izy tompoko, Hoy Rasoafara. Hoy aho taminy “ efa leon’ny otrik’ afo angaha izato izy no mba mividy afokasoka?” Tsy namaly izy fa nivanivany fotsiny. Nony nirohohotra namonjy hain-trano indray ny olona, inty kosa izy nidodododo nankao am- pivarotako - “Asio ranon- tsira kely ry Neny ity sandriko ity fa main’ny afo” , hoy izy- - Main’ny afo taiza? Hoy aho. 88-Alakamisy 22aprily 1971, IV lah 4490 Tao am- pamonjena trano may, hoy izy. - Hitanareo ary fa vaky am- batolampy ny laingan’i Maizinandro, hoy Rahely.Namonjy trano may tokoa va izy? -Sanatria hoy ny fokonolona niara- niredona . -Tsy nahateny i Maizinandro.Sina toy ny sifotra nalan- doha i Nirinah . - Ialahy va ry ilay donendrina ity no nandoro ny sekoly ? hoy aho, nanomboka nitrerona. - Aoka re mba Ragova ihany no hilazako ny tsiambarateloko, hoy izy, naondriny ny lohany - Miravà daholo ianareo fokonolona fa eto am- pelatanako izao ny ratsy , hoy aho. Niditra tao an- trano izahay mivady sy Maizinandro.Vao tafapetraka teo ambony seza aho , dia nandohalika teo anoloako, toa hilelaka ny faladiako i Nirinah. - Rahaingo ô! Hoy izy mamemà ahy fa ny tenako no meloka. Izaho no nanakarama an’i Maizinadro handoro ny sekoly Saingona. Natahotra mantsy aho, sao voaromboky ny zazavavy tsara tarehy sy tsara diplaoma, toa an- dRahely, ny tokantranoko? Ny hevitro dia izao : rahefa may ny sekoly, tsy maintsy mifindra toerana io zazavavy io; - Ny HASAROTAM-PIARO izany no NITERA -DOZA - Mifona aho fa diso, hoy izy. - Ary ahoana no nahatonga an- dRatompokovavy ho tafiditra tany an- tsekoly. - Tsy fantatra hatramin’ izao. Ny fantatra dia izao: niray tetika handroaka an- dRahely izahay mianaka. Tsy mitovy anefa ny fomba nampiasaina.Angamba izy nitoky tamin’ ody ka nametraka izany tao amin’ny biraon’ iroa mpampianatra vavy. - Injay indray ny fanandratana odifitia. - Sady tezitra aho no nalahelo; raha tsy ny ranomason’i Nirinah sy ny fifonany,dia noroahiko teo ho eo ihany izy. 27 _ADRISA TSY TIA TSIMBOTRY Fa nanao rivotra an- kadilalalna ihany ny fahoriana. Ny afak’ ampitson’ iny dia tonga hitsirika ny asako Mose Debonniaire, Filoham- paritany. Nandeha tsara ny kaonty tamin’ny boky, fa nony nisainy ny vola tsy teo ny dimy alina ariary. Toy ny novakiam- baratra aho. Izy koa talanjona. 89- Zoma 23 aprily 1971, IV lah 4491 Nataonao aiza ny vola? Hoy izy - Tsy fantatro velively tompoko izay naka azy , hoy ny navaliko. - Iza no naka azy tsy ianao. Tsy varavarana silaka tsy rindrina voahady. Lazao ny marina fa ny marina tsy maty. - Tsy izaho velively no nahavita izao Tompoko. -Efa niantra anareo mianakavy aho amin’ ity asa ratsy nampanaovin’ I Madamanao an’i Maizinandro. - Misaotra indrindra tompoko -Izao kosa voatery handetika anao aho, raha tsy voaonitra io dimy alina farantsa io. Nirintona i Mose Debonniaire. Tsara fanahy loatra izy io, saingy nahasorena ay mafy ny hadalana misesisesy nataonay sy Nirinah; - Izany ve ho rariny, hoy izy ningonongonona. Vao eo ny vadinao no nanakarama olona handoro trano, izao indray ny tenanao mangala- bola. Nikaroka vola dimy alina aho hasolo ny very, nefa tsy nahitra. Mose Sauvage moa la

Ny tao am- pelatanako lany tamin’ny nandevenana an’i Maman Jaunie. Ny fetra farany nomen’i Mose Debonniaire dia ny ampitso maraina ihany. Nanao “ haody” ao an-tranonay sy Nirinah ny “ Fahafaham- baraka”. Vahiny tsy mahalala menatra izy io, ka tsy miandry ampandrosoina fa avy hatrany dia misolantsolana. Vao tafiditra izy dia navoakany kosa aho ary tsy navelany raha tsy tonga tany am- ponja. Asa na misy tody na mitamberina ny ratsy natao, fa nampiditra ny HT an- tranomaizina aho, ka mba nampidirin’I Mose Debonniaire an- tranomaizina koa.

CVII

Niray efitra teny am- ponja izahay sy ny HT. Samy gadralava,saingy izaho gadralava noho ny halatra nataoko; izy ireo kosa gadralava noho ny fitiavany n y Tanindrazany. Tsy mbola nahita olom-banona toa an’ ity Ravalo ity aho. Tsy nihafahafa tamiko velively izy raha nahita ahy voarohy. Niresaka tamiko aza no nataony. Nohararaotiny ny fahavozako hitarihana ahy ho tia ny Fahaleovantena. Nohazavainy tamiko isan’andro vaky ny hafetsen’ny mpanjanatany; 90_ Sabotsy 24 aprily ,IV lah 4492 Ry Beravony mbamin- dry Rainivelo no toa somary nandorsitra ahy. Tsy eson- teny mivantana anefa no nampiasainy, fa hira manindronindrona . Rabefilatro hono no namorona ny tonony sy ny feon’ ilay hira . Izao ilay izy.

ADRISA TSY TIA TSIMBOTRY Ka sahy nanambanambana Tsy fantany ny ondry botry Fa mety hitera – kambana. - Izaho tokoa mantsy io “ adrisa tsy tia tsimbotry” io , hoy ny eritreritro. Dia nisento aho ka miboika avy ao anatin’ ireo dobokely roa ny vongan- dranomasoko tsy mety tankina. 28_ AVOTRY NY RAFY/ Taorian’ny fitsarana dia samy voasazy herintaona sy tapany an – tranomaizina na izaho voatoroka ho mpangalatra, na ry zareo HT tsy nanan- keloka. Tao am- ponja dia nataon- dRavalo anton-draharaha ny fampianarana ny tenany. Nony tafavoaka izy dia nanao fanadinoana mitovy lenta amin’ny “ Baccalauréat” ka afaka soa aman- tsara . Dia niditra nianatra teny amin’ny sekoly ambony izy mba hanomana “Licence” amin’ny teny malagasy. Izaho kosa saiky tsy nahita antom- pivelomana nony afaka teny an- tranomaizina. Nanao ny raharahan’ny mpamily fiarakodia aho, fa i Nirinah kosa niara nanao varotra mitsipozipozy tamin’ i Papa Rambel. Naleon’ny olona mantsy nampandroso ny varotr’i Ndrembaliha, toy izay hanome ny volany ho anay. - Tamàna midodododo am- pidinana ireo ka avelao hisanehaka miaka – drantsana, hoy ny mpanao tsindrio fa lavo. Herintaona taorian’ izay dia nipoitra teto amin’ny lanitr’i Madagasikara ny kintan’ny Fahaleovantena.Tsy nahasahana ny famirapiratany ny rahon’ankaso natambatray. Tamin’ny fifidianana solom- bavambahoaka tao Vonizonogo, dia nahazo nilatsaka Ravalo. Sivifolo isan- jato no vato azony . Amin’ izao fotoana hamohazako fota- mandry izao dia voatendry ho Minisitry ny Tantsaha Ravalo. Tanterany ilay tarigetra maminy hoe : “ Hanaiga ny Tantsaha” . Rahely mpampianatra no nampakariny ho vadiny.. Rabefilatro sy Ndrembaliha no mpanotrona azy. Izaho kosa , androany maraina no nantsoiny hitana ny raharahan’ny mpitantsorany. Eto am- piangana ho any amin’ny biraon-dRavalo aho izao mahatsiaro fanina sy sempotra izao. Tsy ny hafanana ihany no manempotr’ ahy, fa ao koa ny tampodin’ny lasa. - Inty izaho dia noraisiny ho namany, kanefa fahavalo efa saiky nanapitra ny ainy, hoy ny eritreritro. Fon’ anjely va re izany mitempo ao an – tratran’ iny tovolahy iny? - Nantsoin’ny Minisitra Ravalo aho hiara- miasa aminy. “ Hanainga ny Tantsaha”hoy aho.

- “ Hanainga ny Tantsaha” hoe. Hoy izy. Ny olo- meloka toa antsika ve no tolorany famonjena ? Izany tokoa no “ AVOTRY NY RAFY” !

Dia nifokofoko nitomay izy. Nankany an’ efitra hafa no nataony . Afaka kelikely, injay reko nikarantsana ny feony nikalo ilay hira tsy azoazoko hoe : “Adrisa tsy tia tsimbotry Ka sahy nanambanambana Tsy fantany ny ondry botry Fa mety hitera – kambana.”.

RAVALISON Edmond TAPITRA

FAMINTINANA Lohateny: Izaho ve diso? Mpanoratra: ANDRIAMPARANY Taona nivoahany: 02 janoary 1970-18 febroary 1970

IZAHO VE NO DISO?

Ingahy Ramanda dia raim-pianakaviana 60 taona eo ho eo, manam- bady an- dRabako ary tsy niteraka izy ireo fa nanangana zazalahy iray atao hoe: Solo izay zanaky ny rahavavin- Rabako izay maty teo am-piterahana. Mpiasam-panjakana Ramanda ary vao nisotro ronono izy. Amin’izao fahanterany izao vao vonona hanakaiky kokoa ny vady aman-janany izy ary manaraka izany dia vonona hamelo- maso ny tanindrazany any ambanivohitra koa izy. Izany no faniriana raha vao nisotro ronono izy. Fa raha atao indray mitopy maso ny tokantranony dia hita fa na dia tsy nisy olana firy aza dia toa mangatsiatsiaka ihany ny fifandraisan’ izy telo mianaka, indrindra moa ny eo amin’izy mianaka samy lehilahy; ny anton’ izany dia izao: Ramanda dia olona mpankato fanjakana fatratra na mety na tsy mety ataony. Azo ambara fa milamina ny fiainana ka tsy te hisaringodringotra amin’ izany izy.Izy mianaka kosa etsy andaniny toa tsy mahazoazo ny fanjakana sy ireo mpiara- dia aminy. I Solo mantsy dia tovolahy nianatra, ary eo am-panomanana ny fanalana « brevet » izy ary mbola manao fanadinana hanohizana fianarana any ivelany ihany koa satria faniriany ny hanondrotra ny Tanindrazany rahatrizay mahaleo tena izy. Nankasitrahan- dRabako reniny izany ary nanana namana niaraha- niasa koa izy dia i Dany sy Razanadrasoa reniny. Izany tsy fitoviam- pijery izany no tena antony mampangatsiatsiaka ny tokantranon- dRamanda; noho izany, tsy fantatr’ ingahy Ramanda akory ny zavatra nataon’ ny Solo tany ivelany tany ary Rabako koa moa tsy nilaza satria fantany fa tsy mankasitraka izany ny vadiny. Taty aoriana dia nandeha nidina tany ambanivohitra ( Ambatomanga) izy mivady ka nilaza tamin’ ny mpiray tanàna fa hamelo- maso ny Tanindrazana. Nankasitraka izany izay rehetra naheno ka nandeha ny fifanankalozan- kevitra maro samihafa; raha sendra tonga teo amin’ny tsy rariny ataon’ny fanjakana anefa ny resaka dia hasosorana no hita eny amin’ny endriky Ramanda.

Indray andro ary mba niangavian’ ny olona tao an- tanàna izy mba hitondra tenin’ny vahoaka amin’ny fangatahana fampijanonana ilay sefo kantao kanefa nolaviny izany hany ka sorena taminy ny mponina. Fa rehefa novidian- dRamanda tamin’ny mpiray tampo taminy ny lova dia namboariny ny fomba fitantanana azy ka raha ampahatelony taloha no an’ny tompon- tany dia nataony antsasany kosa izany ankehitriny; vao mainka nampitombo ny alahelon’ olona taminy izany ka nisy mihitsy ireo mpiray tanàna taminy nifamaly taminy. Mbola nianatra moa i Solo ka nanao trano roa izy ireo rehefa nadisadisa dia niverina niakatra izy mivady. Nipoaka anefa ny raharaha MDRM tao Moramanga ka nisy olona avy any nandositra taty voasambotra. Mba nitaintaina koa Rabako raha nietreritra an’i Solo kanjo inona tokoa fa tsy tonga nody i Solo; nony ampitso vao fantatra fa voasambotra koa izy satria hono anisan’ ireo fikambanan’ olon- dratsy.Gaga ary tsy nino Ramanda raha nilazan- dRazanadrasoa fa fitadiavana fahaleovantena no nahavoa azy, Rabako anefa etsy andaniny efa mahalala izay ataon’ i Solo. Nikaroka ny hevitra rehetra izy mivady mba hanavotana an’i Solo; nandeha naka mpisolovava, niangavy an- dRabekoronana saingy nandamoaka izany. Natao ny fitsarana an-dry Solo sy ny namany ka gadra 3 taona no azony; ny azy sy i Dany namany no be indrindra satria izy ireo no lohandohany hono. Tany Diego no namitan’i Solo sy ny namany ny saziny; fa rehefa nazavazava iny raharaha iny dia nandeha nidina tany ambanivohitra indray izymivady. Asa anefa fa toa niavonavona tamin’ izy ireo avokoa ny olona tao an- tanana. Niezaka nanaporo izany ingahy Ramanda ka nanatona Ray aman- dreny iray tao dia Rainianja mba handrefy ny fifandraisana, tsara tokoa ny nandraisan’ io azy ka raha kisoa no mody nandehanana teny dia voatery tsy maintsy nividy. Loza anefa no nitranga fa iray andro fotsiny dia tapitra maty ireo kisoa ireo, raha mba nantsoina ny mpiara- monina dia nanda avokoa ka voatery nalevina ireo. Fotoana fohy taorian’ izay dia narary koa Rabako koa tsy maintsy nentina niakatra. Nony tonga teto, tsy hita salama tsy hita marary izy. Indray andro dia tonga ny mpilaza fa hoavy i Solo. Efa voahoman- dRabako ny fanomezana ho azy satria fantany fa ny vadiny dia efa hatrany ampiandohana no malailay fonosana ny amin’ ny fikarakarana an’ i Solo. Tonga tokoa izy, toa tahaka ny taloha ihany ny fifandraisana fa indraindray aza toa isan’ olona fotsiny Ramanda. Fotoana fohy taorian’ ny nahatongavan’ i Solo dia nanomboka nivoaka isan’ andro izy ka raha mba niteny azy ny rainy dia nilaza izy fa ankasitrahan’i Neny ny zavatra ataony. Fa ny olona tety ivelany dia tena nandoka an-dRamanda fa nanabe zaza tena olom-banona izy ka tsy mba kivy amin’ny fitiavan- Tanindrazana. Fa Rabako kosa nandritra izy dia nihareraka ka niafara tamin’ny fahafatesany izany. Fa mba nampatsiaro an-dRamanda ihany izy talohan’io, ka nanome tsiny ny vadiny ny amin’ny fitiavan- tenany ka tsy mba mieritreritra ny hafa fa ny fiadanany ihany; izany no anisan’ny fototra nampangatsiaka ny fifandraisana tao an-trano. Nony lasa Rabako izy mianaka miampy ny mpanampy sisa tao, i Solo moa dia nanohy ny fivoahany isan’ andro, vao mainka nitombo ny elanelana teo aminy sy ny rainy; fa raha mba miresaka aza dia hafahafa no iafaran’izany.Taty aoriana dia tapa- kevitra i Solo fa hisaraka amin- drainy ka nangataka tso- drano izy satria tsy hitovy fijery na oviana na oviana izy mianaka; Ramanda dia tsy mieritreritra afa tsy ny fiadanany, ny tenany ihany fa ny an’ i Solo kosa dia ny fijerena ny mpiara - belona aminy sy ny tanindrazany. Nahita asa izy ary hifindra any amin- dRazanadrasoa izay mpanohana azy amin’ny adidy ataony eo amin’ny mpiara-belona aminy sy ny Tanidrazany. Tsy nitana alahelo tamin-drainy izy fa vonona hanampy azy raha misy iantsoana azy .Ramanda kosa teo andanin’ izany dia niaiky ny fahadisoany hany ka nanjary nanakoako tao aminy ny fanomezan- tsinin’ izy mianaka.

Foto- kevitra : - Fampisehoana fa ny fiankinana amin’ny mpanjanaka dia misy fetra ihany ary mahavonjy poritra fa tsy mahavita taona - Tolona ataon’ ireo mpianatra ho fitadiavana fahaleovantena ary / fampandrosoana ny firenena -Fampisehoana ny tsy rariny ataon’ny mpitondra

Lohateny: Tadio avy any am-pasana Mpanoratra: Rose VALISOA Taona nivoahany:29 septambra 1970-08 janoary 1971

TADIO AVY ANY AM-PASANA

Radasinarivo dia tovolahy 20 taona, zanak’ olona mpanakarena izy. Rabedasy sy Ramanana no Ray aman- dreniny.I Bela kosa no rahalahiny. Iroa ray aman- dreniny dia tena olona mamin-bahoaka tamin’ ny fivelomany.Eny andrefan’ Antananarivo no mipetraka ry Rabedasy. Anisan’ ny olona niaina tao anatin’ ny harena izy ireo fa ny hany rahona nitatao teo amin’ ny fiainany dia ny tsy mba nahazoany taranaka handova ireto harena be. Ny fiainana dia ifandibiasan’ny alahelo sy fifaliana ka rehefa nihalehibe izy mivady dia indro fa tonga ny niriany hatrizay, nahozo an-dRadasinarivo izy ireo ka feno ny fifaliany dia nanao lanonana be izy. Ary satria tonga amin’ny niriany dia naka toro- hevitra tamin’ny manodidina izy mba hitaizany ny zanany. Na dia betsaka aza ireo nanoro azy dia toa tsy dia nety loatra tamin’ny fisainan’izy mivady izany ka izay tiany ihany no nataony.Dia nitombo Radasy sy ny fahakingany ary nitombo koa ny fampihantan’ny ray aman- dreniny azy; natao daholo izay tian- dRadasy. Nalefa nianatra taty an- drenivohitra izy ary dia niakatra koa izy mivady mba hikarakara azy.Nanaovana fandaniana be tokoa izy tamin’izany. Asa anefa izay nanjo ireto ray aman- dreniny fa tonga tsy salama izy mivady; nakana mpanampy Radasy mba hikarakara azy dia i Mahavonjy izany; izy mivady moa tsy maintsy miverina any ambanivohitra fa any no voalazan’ny mpitsabo fa mahamety azy ireo. Vao lasa anefa izy ireo dia nahazo namana vaovao Radasy sy Mahavonjy, ary indro fa nahazo laka tao amin’ny tokatranon- dRadasy ny rendrarendra sy ny filibana maro; tao ny filokana tao ny fisotroana hatramin’ny fanaovana ody fitia koa aza mba nandramany. Radasy no mpiantoka ny lany amin’ izany fa izy roalahy dia mpijery izay aleha fotsiny. Fa izy mivady koa tany ambanivohitra mba nanana izay nahasahirana azy; nanan- janaka kay ramatoa Ramanana ary nitera- dahy indray dia i Bela izany, rainy kosa niha tsy salama hatrany. Samy sahirana nikarakara ny tenany ka tsy fantatry ny ray aman- dreniny intsony izay ataon’ny zanany. Fa nihombo ihany ny aretin- dRabedasy ary dia niafara tamin’ny fahafatesany izany saingy nanafatra ny vadiny izy amin’ny fitandrovana ny harena sy ny tsy fanarahana ny hevitry Dasy.

I Dasy kosa tetsy ankilan’ izany dia nanohy ny nataony, nahita izay nambabo ny fony izy dia i Zoerline izany. Fa Ramanana dia niezaka tokoa hanaja ny hafatry ny maty, ka sorena i Dasy fa mahihitra ny reniny kanjo niara- dalana tamin’ izany koa ny tsy fahasalaman’dRamatoa, azo notsaboina ihany izy saingy Radasy no vato nisakana izany, tsy sitrany intsony ny hahaveloman- dreniny, ary dia maty tokoa Ramanana. Nieritreritra i Dasy fa milamina amin’ izay kanjo indro nisy olona tonga nilaza tao aminy fa ny antsasa – dova ihany no azy. Vokatr’ izany dia nitsiry tao aminy ny eritreri- dratsy momba i Bela zandriny izay vao 4 taona monja. Tsy nijanona eritreritra fotsiny izany rehefa nanatona an’ Ingahy Ratsarila izy fa tena notontosainy tokoa. Navelin’izy ireo velona i Bela; tsy sarotra ny nanatanteraka izany satria ny fasana mbola vao avy nandevenana an- dRamanana reniny.Dia vita ny natao ary satria mba nanenjika azy ihany ny eritreriny dia nisintaka kely tao amin’ny tranony izy. Namangy sisa nandalovany teny; indray andro anefa tratran’ny tadio teo amin’ io tranony io izy; tsy nandry ny sainy ka nandeha nanontany an’ ingahy Tsarila izy ka hoy izy hoe: ambiroan’ny maty ireny tadio ireny. Fa toa misesy ihany ny loza nanjo an’i Dasy, ilay tovovavy hany nianteherany dia maty. Vokatr’izany, vonona hiala lavitra i D asy ka navadiny ho vola ireo fananany sisa; rehefa izany dia naka namana roalahy izy hitondrany entana madinidinka tsy maintsy ilaina fa ny azy dia ilay poketra feno vola no nentiny.Namonjy tanana izy nony hariva ny andro kanjo nifanandrify tamin’ izay nisy dahalo saika hanafika tao, rehefa tsy tafiditra ireo noho ny firaisan-kinan’ ny olona dia ny manodidina ny tanana no nodorany; may tany ny volan’i Dasy satria nafeniny tany alohan’ny niarahana tamin’ny mpiambina.Diso fanantenana i Dasy ka lasa niverina any amin’ny toerana niaviany. Vao tonga tao anefa izy dia nanaovan’i Mahavonjy teti- dratsy ( fampitahorana) ka mba hanome vola azy; voatery namidy ny trano tamin’ izany. Vita ihany iny ary indro fa nitsiky tamin’ dRadasy indray ny vintana, fa nisy tovovavy iray atao hoe:Rafara nampitady vady ka indro Radasy fa namaly ny antsony na dia tsy tsara tarehy loatra aza izy dia tian- dRadasy ihany satria manan- karena. Vita ny raharahan’izy roa kely ary voa mainka nitombo ny fahasoavana nirotsaka tamin’I Dasy fa natsangan’ ny rafozany ho mpandova izy. Faly Radasy fa tanteraka ny faniriany. Taorian’ izay anefa dia tonga indray ny tsy nampoizina fa maty ity vadin- dRadasy vaovao. Tsy niova ny nandraisan’ny rafozany azy satria efa natsangana; fa fotoana fohy taorian’ izay dia narary koa Rafotsy ary dia maty koa. Maro be ireo firavaka nampombaina an-dRafara ka mba velon’ eritreritra ihany izy ny amin’ ireny. Vokatr’ izay dia lasa namaky fasana Radasy sy ny namany mba hakana ireo harena ary azony tokoa izany.Taorian’ izay anefa dia niseho ny fampitahorana,ny eritreritra koa toa tsy nandry, natahotra i Dasy kay tsy iza no nanao ireny fa ireo namany ihany izay kely karama ka sorena. Rehefa nitohy izany dia resin’ ny tahotra i Dasy ka namerina ireo harena tany am- pasana. Tamin’ izay fotoana izay indrindra no nakan’i Mahavonjy ny volaben’ i Dasy tao an- trano ka teny am- pandehanana ho any am- pasana dia nafen’ ireo teny akaiky teny ilay izy; loza anefa no nitranga tamin’ ny fodiana fa tsy nisy irika hakana azy mihitsy nony nody ka ny maraina vao halaina akory anefa ny hagagana f’ efa may avokoa ny teny amin’ ny manodidina ary may tao koa ilay izy. Samy namoy izy 4 mirahalahy. Fa indro nipoitra i Bela; hay tsy maty izy fa voaavotr’ ireo mpamaky fasana ary ireo no nitaiza azy. Ankehitriny mpianatra mpitsabo ao Befelatanana izy; nahita tamin- dRadasy izy saingy nisy fiovana ity farany; tonga kolepaka izy noho ny tadio nahazo azy. Rehefa niely ny resaka ny fantatry Dasy ihany i Bela ka lasa nifindra fonenana lavitra izy; lasa mpanjono izy kanjo indray andro dia nohanin’ny voay ny sandriny ka olona sendra nandalo no nanavotra azy.Voatery naiditra tao Befelatanana izy ka i Bela no nitsabo azy. Rehefa sitrana soamantsara izy dia nomen’ i Bela trano hipetrahana ary novatsiany vola isam- bolana. Toa tsy ampy azy anefa izany ka nirotsaka ho isan’ ny mpangataka izy. Saika nahafantatra azy avokoa ny mpandalo fa anisan’ny nampalaza azy ny hoe nopahon’ ny tadio avy any am- pasana ny fananan’ io.Rehefa nivoaka ho mpitsabo i Bela dia nandao ny tany kosa Radasy. Resin’ ny fiainana izy.

Foto- kevitra: - Fampisehoana ny toe- tsaina sadasana novolen’ny mpanjanaka -Fitiavana sy fanampiana ny mpiray rà amin’ny tena - Fitiavam- bola diso tafahoatra

Lohateny: Sangisangy Mpanoratra: ANDRIAMPARANY Taona nivoahany: 27 Aprily1971-08 novambra 1971 SANGISANGY I Mily dia tovolahy 25 taona eo ho eo, mpanan- karena izy, nandova be tamin’ny rainy sy ny rahalahan- drainy mantsy izy, mpivaro- damba eny Analakely no asany. Noho io asany io no nandehanany tany fianarantsoa mba hamonjy ilay lavanty lehibe momba ny lamba tany ary dia tamin’ izay koa no nahitany an’i Nety izay lasa vadiny taty aoriana. I Nety moa dia tovovavy tsara tarehy, zanak’ olona sahirana, noho izany dia nivoady fa tsy maintsy hiadana am- panambadiana izy. Efa avy nisakaiza tamin’ i Samy izy izay tsy fantany fa naman’ i Mily vadiny ihany. I Samy kosa dia tovolahy mpiasam- panjakana,nahay nambabo ny fon’i Nety izy ka dia roboka tokoa i Nety rehefa nahita ny volany sy nomeny fanomezana isan- karazany. Mbola tsy nahafa-po azy izany ka dia voatery nanao taratasim- bola sandoka tao amin’ ny fiasany i Samy, tratra anefa izy ka naiditra am- ponja. Vokatr’ izany dia rava hatreo ny momba azy roa ; Nety moa efa nivoady fa tsy miaraka amin’ny tsy afaka ,i Samy kosa mba niandry izay hahatongavany.Namoy fo izy fa tsy mba noraharahian’i Nety izy kanefa dia ny sitrapony no nanaovan’ i Samy izao halatra izao.Fa nahita ny akanga tsara soratra i Nety ka dia namindra mora foana ny fitiavany, tsy iza izany fa i Mily izay be vola aok’ izany ary dia tanteraka tokoa ny faniriany; tonga mpivady izy ireo.Niadana am- panambadiana tokoa izy, tanteraka ny voadiny; fa izany no nahatonga an’ i Samy hamolavola valifaty raha toa ka mihaona any aoriana any. Fa indray andro raha nampirina ny ny biraon’i Mily izy dia nahita taratasy milaza fifanekena ankizy efa- dahy dia i Mily, Benja ,Samy ary Ramanana.Ny vontoatin’ izany dia ny tsy hifanadinoana na amin’ny mora na amin’ny sarotra ary izay mahomby amin’ny fiainana dia tsy maintsy miantso ireo namany. Tsapan’i Nety fa nanana ny ampy izy ireo ka dia notadiaviny tamin’ny vadin’i Benja sakaizan’ i Mily ny adiresin’ ireo 2 hafa ka nalefany ny fiantsoana fa izy roalahy moa dia tany Ihosy no niasa. Efa lasa ny fiantsoana vao nanambara izany tamin’ny vadiny i Nety, somary sorena kely ihany izy saingy mora niravona. Sangisangy ihany izany kanefa hiteraka zavatra maro eo amin’ny tokatranony. Tonga tokoa ny fotoam- pivorian’ireo dia i Mily sy ny vadiny, i Benja sy ny vadiny ,i Samy, ary Ramanana sy Katy miaraka amin’ny zanany 3 lahy. Natao ny fandaminana ka tany Ambohidoza ( Ankazobe) izay misy ny lovan- dry Mily no nosafidiana.

Nandritra ny andro maromaro no tany ka tamin’ izay indrindra no nanomanan’ ity mpiasa ao an- trano ny tetika hitakiana ny onitra vokatry ny fanararaotan’ ny ray aman- drenin’i Mily tany aloha. Tratran’ i Samy anefa izany ka voatery namboraka ny marina rehetra izy.Tafaray ny tia sy ny manina teto satria i Samy koa dia efa nivonona ny hamaly faty an’i Nety izay nanimba ny fiainany manontolo.Tamin’ny fotoana hilazan’ i Samy ny marina no indro tonga hisambotra azy ny polisy fa hoe nanodinkodina vola tany amin’ny paositra fiasany, nilaza ny alahelony tamin’ ireo sakaizany izy ary vao handeha dia nianjera dia maty teo. Tsy nijanona teo ny tantara fa tratran’i Mily ihany Ilay mpampihorohoro hatrizay dia Rambelo izay saoferany ihany; nilaza ny antony nanaovany ireny izy ary nilaza koa ny marina momba an’i Samy sy Nety. Rehefa nazava tamin’ i Mily ny raharaha dia nanao veloma ny sakaizany sy ny vadiny izy ka lasa nisintaka namonjy ny rahalahiny any antsinanana any.

Foto- kevitra : - Fampisehoana fa anisan’ny endriky ny fitiavan- Tanidrazana koa ny fahazavan- tsaina , tsy fanavakavahana volon- koditra -fitiava- namana -fahadiasoam- panantenana amin’ny manodidina -fitiavam-bola be loatra

Lohateny: Tamberin- tany Mpanoratra: Clarisse RATSIFANDRIHAMANANA Daty nivoahany: 20 febroary1970-9 jona 1970

TAMBERIN- TANY Ingahy Rabeharana sy Ramatoa Ratompo dia mpivady manan- karena tao Malazabe nefa tsy mba nanan- janaka. Naniry zanaka mafy izy ireo ka nanao izay fomba rehetra nahazoana izany toy ny fitsaboana tany amin’ ny mpitsabo, fangatahana amin’Andriamanitra, ny fangataham- pitahiana amin’ny razana. Eny, saika hirona amin’ny fanompoana an’ Ikelimalaza sy Rafantaka ary Ramahavaly izy ireo nefa dia hainy ihany ny nampionon- tena.Raha sendra nitsabo an’ i Soalalao zana- drahalahin- drain’ingahy Rabeharana teny amin’ny hopitaly Tsaralalana Ratompo dia nahita ny mpanindrona nikarakara zazakely sahabo 7 volana narian’ny olona teo amin’ny vavahadin’ny hopitaly.Nalahelo izy ary nitsiry tao an- tsainy ny hanangana zaza ka dia noraisiny io zaza io ka nomeny anarana hoe: “Ramanambaro”.Roa taona taorian’ izay dia nanapa- kevitra izy mivady fa hanangana zaza iray avy amin-dralehilahy dia i Soalalao izany ary iray avy amin-dravehivavy dia Rafetrarivo. Taty aoriana dia mbola niampy iray ireo zaza ireo dia “ Ranjatomanana” izany, izay zanak’olona kamboty ka nampalahelo azy mivady.Nokarakarain’ izy mivady tsara izy efatra mianadahy ireo ka samy tafita tamin’ny fianarana. Ranjatomanana niasa tamin’ny trano fivarotam-boky taty an-drenivohitra; i Soalalao sy Rafetrarivo niara – niasa tamin’ny raharaham-barotra.Ramanambaro kosa namelomaso ny tany ambanivohitra niaraka tamin’ny rainy fa ny reniny efa maty. Nanomboka tamin’ izay dia nitsiry tao an- tsain-dRafetrarivo ny fanilihana azy mirahalahy tsy ho amin’ny fianakaviana mpandova kanefa tsy nankasitrahan’i Soalalao izany; Nalaky nihaosa Rabeharana vokatry ny fahoriana nisesy tao amin’ny fianakaviana. Voan’ny lozam- piarakodia mantsy i Soalalao ka maty ary Ranjatomanana koa dia maty an-drano tany am- pakana rivotra tany Ivolona. Rafetrarivo koa nikoroso fahana ny varotra nataony. Ramanambaro kosa tsy mba toy izany, niroborobo fatratra mantsy ny fambolena sy ny fiompiana nataony ary efa nikasa hanorin-tokantrano hiaraka amin-dRasoavololona izy. Vokatr’ izany anefa dia niampy ny fankahalan-dRafetrarivo ny rahalahiny. Fa tamin’ny alin’ny androm- pisoratana indrindra no nisy namono Ramanambaro.Natao ny famotopotorana saingy tsy fantara izay namono azy.

Vokatry ny tsy fahazakan-dRabeharana izany dia nodimandry koa izy.Rehefa nojerena ny didi.-pananana dia nomena an-dRafetrarivo ny trano miisa 3 ary anjaran-dRasoavololona kosa ny tanimbary sy ny tanimboly. Namidin-dRafetrarivo ny 2 tamin’ ireo tranony ka nampandrosoany ny varony ary nanaovany fambolena sy fiompiana ny sasany. Rehefa nilomano tamin’ny fiadanana Rafetrarivo dia mba nihevitra ny haka an- dRaverosoa ho namana. Indray andro raha nanjono toy ny fanaony izy dia nitsamboatra izay tsy izy raha nahita an- dRamanambaro, tsy nahita tory izy ny alina ka dia nihetsika hatramin’ny aretim-bavoniny. Raha nandeha hividy fanafody izy dia mbola nahita an- dRamanambaro indray.Nihodina taminy ny tany aman- danitra hatramin’ iny. Matetika no mahita an- dRamanambaro amin’ izay alehany Rafetrarivo ka dia nanapa- kevitra hisinda kely any Malazabe. Mbola tonga tany anefa Ramanambaro.Vokatr’ izany dia lasa adala Rafetrarivo kanefa tsy iza io hitany matetika io fa ny kambana amin- dRamanambaro.Rafetrarivo no nenjehin’ny eritreriny andro aman’ alina.

Foto- kevitra : - Ny fahalebiazan’ny fitiavan- janaka eo amin’ny Malagasy. -Ny anjara biriky entina amin’ny fitiavan- Tanindrazana, izany hoe, fanindraindrana ny vokatry ny tany sy ny hareny - Fampisehoana toe- tsaina hafahafa toy ny fanavakavaham- bolon- koditra

ABSTRACT

Literature is one of the sources to study the history of a nation. Novels published between the years 1968- 1972 in the journal » Imongo Vaovao » in fact the witness. Most people have a false reputation of the literature, many people think it is no more than a mere hobby. This research is done to prove that there is an interrelationship between history and literature. In early work, it was mentioned the history of the newspaper “Imongo Vaovao” followed by a quick reminder about the socio-political context of Madagascar from1945 to 1972. we also analyzed the constituent element of novels namely space, time and characters. After, we presented the main ideas resembling those novels. At the end of the work, it highlights the discussed relationship between novels and mentioned story, witch leads us to conclude that the novels is a reflection of society.

Key words: literature, novel, newspaper, writer, society, fact, story Advisor: RATREMA William

RESUME

La literature est un constituant majeur de l’étude de l’histoire d’ un pays. Les romans parus entre 1968 à 1972 dans le journal Imongo Vaovao nous reflètent cela.

Nombreux pensent que la littérature n’ est que simple faribole. C’ est cette vision éeronnée qui nous a incité à centrer nos recherches sur les relations entre l’histoire du pays et la littérature.

Nous avons commencé par la présentation du journal Imongo Vaovao avec un rappel sur les événements sociaux entre 1945 et 1972. Des études sont ménées sur les éléments qui constituent les romans.Ce sont les lieux, les moments et les personnages.Ceux –ci faits, nous avancons les relations d’ idées communes entre les deux.

La dernière partie de nos recherches concerne les liens entre roman et l’ histoire nationale. Par ce fait, nous avons pu constater que les romans réprésentent une forme spécifique et solide de la société

Mots clé : littérature, roman, journal, auteur, société, événements passés , hitoire

Anarana: RAJOELIARISOA Fanampiny: Hanta Virginie Adiresy: Ankadiefajoro Anjeva Antananarivo 103

Lohatenin’ny asa fikarohana: NY AKON’ NY ZAVA- NISY ARA- TANTARA EO AMIN’ TANTARA FORONINA MALAGASY NOTSOAHANA TAO AMIN’ NY GAZETY IMONGO VAOVAO TEO ANELANELAN’ NY TAONA 1968- 1972 Isan’ny takila: 158 Isan’ ny fafana:7

FAMINTINANA

Akora iray lehibe amin’ny fanadihadiana ny tantaram- pirenena ny literatiora.Ny tantara foronina nivoaka tao amin’ny gazety Imongo vaovao teo anelanelan’ny taona 1968- 1972 no nitarafana izany Heverin’ny maro mantsy fa rediredy fotsiny ny literatiora ka izany no nahatonga izao asa fikarohana izao nifantoka bebe kokoa tamin’ny fifandraisan’ny tantaram- pirenena sy ny literatiora Nampahafantarina teny am- piandohana ny momba ny gazety Imongo Vaovao; teo ihany koa ny tsiahy ny zava- nisy ara- piarahamonina teo anelanenalan’ny taona 1945- 1972.Nohadihadiana tato ihany koa ireo singa mandaritra ny tantara foronina dia ny toerana, ny fotoana ary ny mpandray anjara.Rehefa izany dia natolotra ireo tarakevitra lehibe niraisan’ny tantara. Ny fifampiankinan’ny tantara foronina sy ny tantaram- pirenena no namaranana ny fanadihadiana. Tao no nahatsapana fa endri- piarahamonina iray mivaingana ny tantara foronina.

Teny fototra: literatiora; tantara foronina, gazety, mpanoratra, fiarahamonina, zava- nisy, tantara

Mpitarika: RATREMA William