<<

TATITRA FAMETRAHANA NY MIRALENTA ENY AMIN’NY VONDROM-BAHOAKA IFOTONY DINGANA FAHA FAHA 4-7-8 NY VEHIVAVY SYNY FIFIDIANANA ENY IFOTONY TETIKASA GENDER –LINKS SY NY PNUD Firenena: Madagasikara Koaminina: Sud Daty:18-19-20-21 Semptembre 2012 Toerana: Kaominina ANKAZOABO-SUD Faritra Atsimo Andrefana

1

FIZAHAN-TAKILA FIZAHAN-TAKILA ...... 2 FANOLORANA ...... 3 TANTARA ...... 5 FIZOTRY NY ATRIKASA ...... 6 FAHATRARANA NY TANJONA ...... 8 IREO FANAMBY ...... 9

TOVANA

TOVANA A: FANDAHARAM-POTOANA ...... 10 TOVANA B: FANAMARINAM-PAHATONGAVANA ...... 13 TOVANA D: FAMOLAVOLANA NY TETIKASAM-PIARAHA-MONINA ANKAZOABO ...... 15 TOVANA E: TOMBAN’NY ATRIKASA ...... 20

2

FANOLORANA Ity tatitra ity dia entina hamintinana ireo hevi-dehibe nisongadina nandritra ny atrikasa izay notontosaina tao amin’ny kaominina Ambanivohitr-i Ankazoabo –Sud ny 18,19,20 ary 21 Septambra 2012, tao amin’ny biraon’ny kaominina. Atrikasa izay natrehan’ireo tompon’andraikitra eo amin’ny kaominina,ny lefitry ny lehiben’ny distrika sy ireo mpiandraikitra eo amin’ny sehatry ny fampianarana,vadin’ny mpitandro filamainana, ny finoana ary ireo avy amin’ny fikambanana vitsivitsy eo amin’ny tanàna ary singanina manokana ireo vehivavy sy lehilahy izay miomana ny hanao ny asan’ny ben’i Tanana na mpanolontsaina eny anivon’ny kaominina . Ny tanjona nandritra ny atrikasa dia ny hampahafantarana bebe kokoa ny hevitra ijoroan’ny miralenta sy ny fampifandraisana izany eo amin’ny fampandrosoana ny kaominina ary ny fanentanana mba hampiakarana ny tahan’ireo vehivavy hilatsaka ho fidiana Lohahevitra fito mazava no nodinihana nandritra ny efatra andro, ireto avy izany:

Lohahevitra voalohany: Hevitra fototra iompanan’ny miralenta, izay nahitana ny fanavahana ny miralenta sy ireo toetra voajanahary eo amin’ny maha lahy sy ny maha vavy ary ny famaritana ny atao hoe fiheverana raiki-tampisaka. -Lohahevitra faharoa: Miralenta sy fitondram-panjakana, izay nampisongadinana ireo sakana mahatonga ny vehivavy tsy hiditra eo amin’ny sehatra pôlitika ka tsy hitondra fanovana. Lohahevitra fahatelo: ny fitsinjaram-pahefana , ny fanampariaham-pitondrana , ny kaominina ny anjara asa sy andraikitra sahan’ireo rantsamangaikadia ny Ben’ny Tanana sy ny mpanolontsaina Lohahevitra fahefatra: ny tetika sy paika ahatongavana ny miralenta: filana fototra sy ny filana maharitra mila paikady, narahan’ny tetikasam-piaraha-monina Lohahevitra fahadimy: Ny paikady ny serasera Lohahevitra fahaenina: Ny teknolojia sy fifandraisana Marihina fa nandritra ny atrikasa dia ny mpampiofana izay Ben’ny Tananan’i Kaominina ambanivohitra Malaimbandy no nitsangana nanao fijoroana ho vavolombelona mahakasika ny toe-, teo-javatra nosedrainy mialoha , ny nahalany azy.

3

Nisy ihany koa ny fizarana niaraka tamin’ny mpanao gazety mba nahafahan-ireo hilatsaka ho fidiana haneo ny heviny amin’ny fandresen-dahatra mandritra ny fampielezan-kevitra Maro ireo olona tonga namaly ny antso nandritra ity atrikasa ity ary tsikaritra fa saika hita tao avokoa ireo solon-tena avy amin’ny sehatra rehetra (Jereo Tovana A: Lisitry ny mpandray anjara) Araky ny hevitry ny maro dia nanampy betsaka tamin’ny fahazoana ny miralenta ny atrikasa izay natao. Porofon’izany ny valin’ny tombana izay nofintinina ao amin’ny Tovana B.

4

TANTARA Tamin’ny taona 2003 no nanaovan’ny GENDER LINKS fanadihadiana feno momba ny fiantraikan’ny fandraisan’ny vehivavy anjara amin’ny politika tao amin’ny FAA (Fifanarahan’ny Faritra Atsomon’i Afrika). Anisan’ny zava-dehibe tsapa tao amin’ny “Ringing up the Changes, Gender in Politics in Southern Africa” na “Famohazana amin’ny torimaso ka hirosoana amin’ny fanovana sy amin’ny Miralenta eo amin’ny sehatra politika ao amin’ny faritra FAA” fa ny fitondrana ifotony dia sehatra iray izay mampalahelo fa nohamaivanina tao amin’ireo lahateny aman-tsoratra mikasika ny Miralenta sy ny fitondrana ifotony. Vokatr’izany, nanao fikarohana mamaky lay ny GENDER LINKS tamin’ny taona 2006/2007 tao amin’ny Coalface: Gender and local government, (sur le terrain: Genre et collectivité locale na eny an-tsehatra: Miralenta sy Fitondrana ifotony) tany Afrika, Lesotho, Maurice ary Namibie. Hita tamin’io fanadihadiana io fa vitsy ny fampiharana natao mba hametrahana ny foto- kevitry ny Miralenta amin’ny drafitra fampandrosoana rehetra eo anivon’ny fitondrana. Vitsy koa ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpanolo-tsain’ny Kaominina hahay hitarika asa. Nanombika tamin’izay dia nitarina tamin’ny firenena sivy hafa ny fanadihadiana. Eo amin’ny fomba fiasa indray: raha vao vita ny tatitra an-tsoratra momba ny fikarohana natao dia nanao fampiofanana momba ny fampahafantarana sy ny paika any amin’ireo firenena tsirairay avy ireo miaraka amin’ireo mpiombona antoka sy ny mpiara-miasa fototra ny GNDER LINKS. Ny tsara indrindra aza dia miaraka amin’ireo fikambanana miankina amin’y Fanjakana ifotony ao amin’io firenena io no hanoritana ny lalana hanatanterahana ny paika sy hanaovana ny atrikasa momba ny drafitrasan’ny Herisetra sy ny Miralenta ao amin’ny faritany, faritra ary distrika. Izany dia natao mba hanamarinana fa manana drafitrasa momba ny Miralenta daholo ny Kaominina rehetra. Tamin’ny volana Marsa 2010 dia nanao ny Fivoriana an- tampony voalohany momba ny fampanjakana ny rariny eo amin’ny Miralenta sy ny fitondrana ifotony ary ny fanambiny ny GENDER LINKS mba hanangonana ny porofon’ireo fanapahan-kevitra arahina asa noraisin’ny fitondram-panjakana sy ny olon-tsotra hampitoboana ny fahefana ananan’ny vehivavy sy hampitsaharana ny Herisetra.

5

FIZOTRY NY ATRIKASA Fanokafana amin’ny fomba ofisialy

Alohan’ny nanombohan’ny atrikasa dia nisy ny fandraisam-pitenenanana nataon’ireo tompon’andraikitra vitsivitsy eo amin’ny Kaominina sy ny solontenan’ny Gender Links. Naneho ny fisaorana ny Gender Links Andriamatoa lefitry ny Ben’ny Tanàna, Andriamatoa Vonjy Albert noho ny nisafidinan’izy ireo manokana ny Kaominina Ambanivohitra Ankazoabo. Manaraka izany dia samy naniry ny hitoizan’ny fiaraha-miasa ny roa tonta. Nanohy ny fitenenana ny lefitry ny lehiben’ny distrika RASOLOFONDRAIBE Samuel , nisaotrany Gender Links nisafidy ny Kaominina Ankazoabo ho mpiara-miombonantoka amin’ny fampiroboroboana ny miralenta, koa izy fa hitondra vokatra ny atrikasa.

Taorian’ny fanokafana ofisialy dia novelabelarina avy hatrany ireo tanjona tiana ho tratrarina mandritra ny efatra andro ary ny fandaharam-potoana mifandraika amin’izany.

Fampiasana sy fampiharana

Natomboka tamin’ny fampahafantarana ny fifanarahan’ny FAA momba ny Miralenta sy ny fampandrosoana ny atrikasa. Notohizana tamin’ny fanavahana ny miralenta sy toetra maha lahy na maha vavy kosa ny fotoana avy eo. Rehefa nazava tamin’ny mpandray anjara ireo foto-kevitra ijoron’ny miralenta dia nojerena akaiky ireo fiheverana raiki-tampisaka izay matetika miteraka fanavakavahana eo amin’ny fiaraha-monina. Nandritra ny lohahevitra faharoa kosa dia nodinihana bebe kokoa ireo sakana mahatonga ny vehivavy tsy handray anjara eo amin’ny sehatra politika sy fitantanana ka tsy nahafahan-izy ireo mitondra fanovana teo amin’ny fiaraha-monina . Ny lohahevitra fahatelo dia nandinihina manokana ny mahakasika ny fitsinjaram-pahefana , ny fanampariaham-pitondrana izay sehatra tokony handraisan’ny lahy sy vavy anjara mitovy eo amin’ny fanampahan-kevitra mba hitondra fampandrosoana , taorian’ny fifanakalozan- kevitra dia niroso tamin’ny fanehoana ny atao hoe : kaominina ny mpampiofana ka nahafahana naneho avy hatrany ny anjara asa sy andraikitry ny Ben’ny Tanana sy ny mpanolon-tsaina kaominaly izay anisan’ny foto-kevi-dehiben’ ny fiofanana. Niroso avy hatrany tamin’ny fampahafantarana ny filana fototra andavanandro sy ny filana maharitra mila paikadyny fotoana ka nahafahana nisintona ny lesona mba hamolavolana ny tetikasam-piaraha-monina na “priojet de societe”

6

Ity tetikasam-piaraha-monina ity dia anisan’ny hevitra iray lehibe entin’ny kandida mandresy lahatra ny vahoaka mba hifidy azy , ka nisy ny asa tarika natao mba hahafantarana ny vinavina sy programan-asan-ny kandida iray. Toarian’ny asa tarika dia nahatsapa ireo mpizaika fa tsy ny fahalaniana no mahamaika fa ny fananana ny programan-asa mazava. Manaraka izay dia ny tetikasam-piaraha-monina dia ilaina fahaizana maneho azy, ka izay ny nandraisana ny lohahevitra paikady ny serasera , ity lohahevitra ity no nizarana ireo mpizaika ny fahaizana maneho hevitra eo amin’ny haino aman-jery, ary nanentanana azy ireo ny mba ho loharanom-baovaon’ny olona rehetra , ny serasera ihany koa anefa dia nahafahana nampitaina tamin’ny mpizaika fa ny hafatra izay ampitaina amin’ny olona dia tokony ho mazava , tsy misy ahiahy mba ahazaoana ny valin-kafatra mahafam-po Ny lesona azo notsoahina tamin-ity dia fanehoana hevitra na an-tsoratra na an-gazety dia entina hanehoana ny sary izay avoakan’ny kandida iray. Taorian’ny fanadihadiana ireo lohahevitra rehetra ireo dia nasongadina avy hatrany ny toetra tokony hananan’ny olona hofidiana , ny seho an-tsary , ny fiomanany ara-moraly sy aran- kevitra manoloana ny mpanao gazety. Ny lohahevitra farany no nahafahana ihany koa nanofanana ny mpizaika ny mahakasika ny “internet” tamin’ity lohahevitra ity dia afaka nahazo ny kaonty e-mail ny mpizaika rehetra Hita nandritra ny atrikasa fa nandray anjara mavitrika avokoa ireo mpandray anjara na teo amin’ny asa isan-tarika na teo amin’ny fifanakaloza-kevitra.

Hevitra nivoaka nandritra ny ady hevitra

Maro ireo tosa-kevitra nivoaka nandritra ny fifanakalozan-kevitra. Anisan’izany ny:  Momba ny fiheverana raiki-tampisaka Anisan’ny antony mbola mampiorim-paka ny fiheverana raiki-tampisaka ny fomba amam- panao eto Madagasikara. Hita taratra izany nandritra ny fampiarana ka namoahana ireo tonon-kira, horonan-tsary, fomba fitenenanana izay hita fa manome vahana ny raiki- tampisaka. Noho izany dia matetika ny vehivavy dia hanakinana ny anjara asa rehetra momba ny tokantrano toy asa ao an-tokantrano, ny momba ny ankizy nateraka, sns fa ny lehilahy kosa no natao handray andraikitra eo amin’ny firenena sy hitondra ny vola ao an- tokantrano. Tsikaritra ihany koa ny fiheverana raiki-tampisaka eo amin’ny fomba fijerin’ny firaha-monina Malagasy ny lehilahy sy ny vehivavy. Ohatra amin’izany ny fandraisana ny hoe: “nitady zaza ka tera-dahy” sy ny hoe “Arabaina fa nahazo mpatsaka”

7

 Eo amin’ny fampandraisana anjara ny vehivavy: Maro ihany koa ireo olana hita fa manakana ny fidiran’ny vehivavy eo amin’ny sehatra politika. Notsinganina tamin’izany ny:  Ny tsy fahatokisan-tenan’ny vehivavy sy ny tsy fahasahiana.  Ny tsy fahampian’ny fanofanana sy fahaizana.  Havitsin’ny vehivavy efa hita eo amin’ny sehatra politika.  Tsy fahampian’ny fanentanana eny ifotony.  Tsy fahampian’ny fotoana  Vaha-olana natolotra  Fampirisihana ny tovovavy handrato fianarana  Fanentanana sy fampirisahana ny vehivavy handray anjara eo amin’ny raharaham- pirenena amin’ny alalan’ny fampidirana azy ireo amin’ny Fikambanana na vondrona iray.  Fanofanana ny vehivavy hilatsaka ho fidiana  Fidinana an-tsehatra, eny anivon’ny fokontany sy kaominina ambanivohitra. Nandritra ny lohahevitra fahaefatra ihany koa no nahafahana nahafantatra ireo filana misy eo amin’ny kaominin’i Ankazoabo Atsimo manokana mba hahafahan-ireo kandida manao ny tertikasam-piaraha-monina . FAHATRARANA NY TANJONA  Niampy ny fahalalan’ireo mpandray anjara momba ny fifanarahana eo amin’ny FAA.  Azon’ireo mpandray anjara ny foto-kevitra iompanan’ny miralenta  Ny fifehezana ny fitsnjarama-pahefana ,ny fanampariaham-pitondrana ,ny kaominina sy anjara asa sy andraikitr’ ireo rantsa-mangaika ka nahafahany nandray fanampahan-kevitra avy hatrany ny sehatra hilatsahany na ho ben’ny Tanana na mpanolon-tsaina  Ny fahaizana maneho hevitra amin’ny fitaovan-tserasera isan-karazany no nahafahany manohana ny tetikasam-piaraha-monina entina mandresy lahatra ny vahoaka  Ny nahazoana ireo kaonty e-mail teo amin’ny tsirairay dia fitaovana ilaina amin’ny fifandraisana na any ivelany na eto an-toerana amin’ny alalan’ny taratasy elektronika haingana  Maro ny fahavononana ny hilatsaka ho fidiana taorian’ny fiofanana  Manana ny fahavononana ny hampiatra ny miralenta eo amin’ny kaominina ireo mpandray

8

IREO FANAMBY  Fandresen-dahatra eo amin’ny fampiharana ny miralenta  Fampakarana ny tahan’ny vehivavy hilatsaka ho fidiana  Fahantrarana ny tanjona 50/50 amin’ny taona 2015 mba handray anjara mitovy ny lahy sy ny vavy eo amin’ny sehatry ny nfanampahan-kevitra mba hitondra fampandrosoana  Fanatanterahana ny paikady miralenta eo amin’ny kaomina  Fanentanana ny vehivavy mba handray anjara amin’ny fampandrosoana

9

TOVANA A: FANDAHARAM-POTOANA

FIOFANANA « FEMMES ET PROCESSUS ELECTORAL » District ANKAZOABO SUD

FANDAHARAM-POTOANA NY 18-19-20-21 Septambra 2012 TOERANA: KAOMININA ANKAZOABO SUD ORA LAHADINIKA TOMPON- FITAOVANA ANDRAIKITRA AMPIASAINA

ANDRO VOALOHANY 18 septambra 2012 08:00 -8:30 Fandraisana ny mpiofana 8:30- 9:30 Fanoritsoritana ankapobeny ny fiofanana :  Fiitaovana sy ny  fifanarahana iraisam- Mpampiofana GL pirenena, isam- paritra,sy ny nationaly  Ny tanjon’ny atrikasa  Fifanaraham-piaraha- miasan’ny GL/PNUD

Lahateny ifandimbiasan’ny Ben’i Tanana , Chef manam-pahefana de district

9:30-10:00 Fampafahantarana eo @ Mpampiofana GL mpiofana Fanolorana ny fandaharam- potoana 10:00-10:15 FIANTONA KAFE

10:15-10:30 Fitsipika sy ny fomba fiasa Mpiofana sy ny mpampiofana 10:30-11:15 HEVITRA FOTOTRA Mpampiofana GL Manuel «Fametrahana ny IOMPANAN’NY MIRALENTA miralenta ifotony » Mahalahy sy mahavavy, PEJY Miralenta, Raiki-tapisaka 38/53/69/99/105/126 11:15-12:00 Asa tarika Mpiofana 12:00-12:30 Famintinana isaky ny tarika Mpiofana 12:30-12:45 Famintinana Mpampiofana 12:45-14:00 SAKAFO ATOANDRO 14:00-14:30 MIRALENTA SY NY Mpampiofana Manuel «Fametrahana ny FITONDRAM-PANJAKANA miralenta ifotony » Fanorintsoritana lohahevitra : PEJY 53

10

ORA LAHADINIKA TOMPON- FITAOVANA ANDRAIKITRA AMPIASAINA (Fahazoa-miditra- Fandraisana anjara- Fanovana) 14 :30-15 :15 Asa tarika (tarika telo) Mpiofana 15 :15-15 :45 Famintinan’ny tarika telo Mpiofana 15 :45-16 :00 Famintinana ankapobeny : Mpampiofana Nahoana ny mpifidy no mifidy kandida iray ?

ANDRO FAHAROA 19 septambra 2012 08:30-8:45 Famerenana ny andro Mpampiofana sy Tahirin-kevitra voalohany mpiofana 08 :45-10:00 Fanontaniana arahim-baliny : Mpiofana sy ny Famaritana ankapobeny ny: mpampiofana Fanehoana slide  Fintsinjaram-pahefana, fanampariaham- pitondrana  Kaominina 10 :00-10 :15 Fizarana tarika 10 :15-10 :30 FIANTONA KAFE 10:30-11 :00 Andraikitra sy asa : Mpiofana GI : Ben’ny tanana GII : Mpanolon-tsaina 11:00-11:30  Famintinana isan-tarika Mpiofana  Fanontaniana arahim- baliny  Fifampizarana sy fifanakalozan-kevitra  Seho ataon’y olom- Olom-boafidy : boafidy iray (ny ben’ny tanana na toejavatra niainany mpanolon-tsaina alohan’ny nahalany azy) 11:30-12:15 Famintinana ankapobeny Mpampiofana 12:15- 14:00 SAKAFO ATOANDRO 14:00-14:30 Fanehoana ny fandraisana Mpampiofana  anjaran’ny vehivavy eo @ sehatry ny fanampahan-kevitra (Taha ambany dia ambany) 14:30-15:15 Filana fototra andavanadro, Mpampiofana sy ny Manuel «Fametrahana ny filana maharitra mila paikady mpiofana miralenta ifotony » PEJY 15:15-16:00 Fanehoana ny tetikasam- Mpampiofana Caneva piaraha-monina (projet de société) ANDRO FAHATELO 20 septambra 2012 08:30-8:45 Fampantsiahivana ny andro Mpampiofana sy ny  faharoa mpiofana 8:45- 10:30 Asa tarika Mpiofana Tarika dimy(5)

11

ORA LAHADINIKA TOMPON- FITAOVANA ANDRAIKITRA AMPIASAINA Famolavolana ny tetikasam- piaraha-monina 10:30- 12:30 Famintinana isan-tarika Mpiofana

12 :30-14 :00 SAKAFO ATOANDRO 14:00-15:30 NY PAIKA FISERASERANA Manuel «Fametrahana ny Toetra, fihetsika , ilaina @ miralenta ifotony » vehivavy ho kandida PEJY 15:30-16:00 Famintinana ankapobeny ANDRO FAHEFATRA 21 septambra 2012

8:30-9:00 Fampantsiahivana ny andro fahatelo. 9:00-10:15 Famerenana sy fizarana ho Mpampiofana , Marihina fa seho atao eo an’ireo kandida : mpiofana , mpanao @ toeram-piofanana fa Fanehoana ny tetikasam- gazety tsy avoaka an-gazety na piaraha-monina @ haino radio aman-jery  Fotoana hiarahana @ mpanao gazety. 10 :15-10 :30 FIANTOANA 10:30-12:00 Famerenana sy fizarana ho Mpampiofana ,  an’ireo kandida : mpiofana , mpanao Fanehoana ny tetikasam- gazety piaraha-monina @ haino aman-jery Fotoana hiarahana @ mpanao gazety. 12:00-14:00 SAKAFO ATOANDRO 14:00-15:30 FANDRESEN-DAHATRA @ ALALAN’NY FAMPIASAN TEKNOLOJIAN’NY TOROHAY Mpampiofana  Famaritana ny INTERNET Manuel «Fametrahana ny  Adiresy e-mail miralenta ifotony »  Fomba famoronana PEJY kaonty mail  Fijerena boite de reception  Fandefasana mail 15:30-16:00 Tomban-ezaka Mpiofana Fisy tomban-ezaka

12

Tovana B: Fanamarinam-pahatongavana Stage 4-7-8 Country: Kaominina ANKAZOABO SUD Toerana: Biraon,ny Kaominina Date: 18-19-20-21 Septambra 2012 N° ANARANA SY FANAMPINY SEXE TOERANA ANDRAIKITRA TEL E mail HIANDREKETANA 01 Razanabelo Florine V Ankazoabo Mpampianatra 034 60 985 57 02 Marhys-six Josephson L Ankazoabo Mpampianatra 034 37 388 16 03 Rabearinosy Jean Pierre L 034 21 413 26 034 70 485 96 04 Razafimanantsoa L Antsimo-dalana President CRM district 033 74 287 34 05 Rasoarimanana Maho Marie Francoise V Ankazoabo VMLF 034 93 335 89 06 Razanadimby Cherie Albertine V Ankazoabo Presidente VMLF 034 64 928 41 Ankazoabo 07 Nafera Zafitiana Cherie Claire V Ankazoabo Vady Miaramila 034 21 413 43 08 Eva soa V Ankazoabo Vady Zandary 09 Rasoamihaja Charlotte V Ankazoabo Menagere 034 74 956 37 10 Ravololonirina Samueline V VMLF, Mpampianatra 034 41 291 75 11 Razainjafy Fanomezasoa Veralda V Ilemby Menagere 034 98 097 66 12 Rasolofondraibe L Ankazoabo Adjoint Chef District 034 40 587 24 13 Ratsimbazafy Joseph L Ankazoabo Adjoint au Maire 034 61 273 60 14 Rakotomihamina L Ankazoabo SG Commune 034 45 573 12 15 Andriamanantsoa Fenolova Angela L Personnel Commune 034 68 519 56 16 Ravaonomenjanahary Colette V Ankazoabo Menagere 034 41 295 06

17 Rabao Yvette V Ankazoabo Menagere 034 74 936 49 18 Yollande Nantenaina V Ankazoabo Mpivarotra 034 61 276 40 19 Ravaoarisoa Aimee V Ankazoabo Menagere 034 80 495 06

13

20 Hortence line V Ankazoabo Menagere 21 Ndala soa V Ankerereky Mpamboly 22 Bao Odil V Ankazoabo Menagere 23 Ravaoarinivo Modeste V Ankazoabo Mpampiamatra 034 60 985 43 24 Ravaonirina Juliette V Berenty President VMLF,Mpamboly 25 Vonjy Albert L Ankazoabo Maire

Tahan’isa lahy sy vavy:

VAVY 18 72% LAHY 7 28% TOTALINY 25 100%

14

Tovana D: FAMOLAVOLANA NY TETIKASAM-PIARAHA-MONINA ANKAZOABO

SEHATRASA FOTOTRA IANGANA TANJONA ASA HO ATAO ZAVA-MISY 1- FITANTANANA ANKAPOBENY I. FITANTANANA EO ANIVON’NY KAOMININA Representation  Lehilahy avokoa ny mpanampa-kevitra  Ampitomboina  Fanentanana ireo vehivavy ao amin’ny kaominina toy ny Maire sy ho 50/50 ny hirotsa-kofidiana ireo lefiny ary ireo mpanolotsaina mpiasa sy  Fandresen-dahatra ny mpanoa  Vehivavy iray no sefom_pokontany mpanampa- politika sy ireo amin’ny fokontany 06 kevitra ao tompon’andraikitry ny tanàna amin’ny mba hanaiky ny fisian’ny kaominina . vehivavy ho kandidà  Fantatra ny  Fametrahana komity miralenta antontan’isan’ isaky ny fokontany rehetra ny vehivavy hanamafisana ny fanentanana hitondra any ifotony . fanovàna (atao base de  Ezaka kopia sy kara-panondro donneés)

Fandraisana anjara

II FIFANTENANA SY FANDRAISANA MPIASA ARY FAMPIASANA AZY IREO Fifantenana sy fandraisana mpiasa  Tsy misy ny mangarahara amin’ny  Ampiarina ny  Famoahana didy kaominaly fampidirana mpiasa mangarahara momba ny fandraisana miasa  Fiantsoana tolotrasa Fisondrotana amin’ny asa sy  Tsy ampy fiofanana ny mpiasan’ny  Ampy traikefa  Fanatonana ireo fikambanana fanamafisana ny fahaiza-manao kaominina ny mpiasan’ny na ministera mpiahy amin’ny

15

kaominina fampiofanana ho fanamafisam- pahaizana Tontolon’ny asa III FINTANTANANA NY RAHARAHAM-PANJAKANA EO ANIVON’NY KAOMININA Servisy ankapobeny Soram-piankohonana  Tsy fananan’ny ankabetsahan’ny  80 % ny  Fanaovana kopia sy vehivavy kopia sy kara-panondro vehivavy karapanondro mitety vohitra mahazo karapanondro  100 % manana kopia

IV NY MIRALENTA EO AMIN’NY LAMIN’ASA FOTODRAFTRASA Toeram-ponenana  Tsy manaram-penitra ny fanorenana  Hatsaraina ny  Famoahana didim-pitondrana trano toeram- ataon’ny kaominina ponenana amin’nyfanorenana trano fonenana Rano sy fahadiovana ary herin’aratra  Vitsy ny manana rano fisotro madio  Ampitomboina  Fametrahana paompin-drano ny Borne isam-pokontany Fontaine sy  Fanentanana ny olona handray ny Vovon- anjara biriky amin’ny sandan- drano drano mba ho fikojakojana ny fotodrafitrasa  Fandresen-dahatra ny JIRAMA amin’ny fanampiana ny Borne Fontaine  Fitadiavana mpiara miombonantoka amin’ny fametrahana vovon-drano

16

Fahasalamana  Vitsy ny mamonjy tobim-pahasalamana  Mazoto  Fanentanana ny olona  Ambany ny tahan’ny vita vakisiny mamonjy hamonjy toeram-pitsaboana hopitaly ny  Fanentanana ny vehivavy olona hiteraka any amin’ny toeram- pitsaboana  Fampitomboana ny CSBI any amin’ny fokontany

Fanabeazana  Betsaka ny ankizy tsy mianatra  Tanteraka ny  Fitadiavana mpiara-  Tsy ampy ny trano fianarana sekoly isam- miombon’antoka pokontany amin’nynsekoly  Fanamafisana ny dinan’ny fampianarana Fitaterana  Vitsy ny fiara mpitatitra  Atao manara- penitra ny fiara

Lalana  Ratsy ny lalana ary efa antitra ny foto  Hamboarina  Fangalana ny haban-dalana drafitrasa ho azo hanaovana fikojakojana ifamoivoizana ny lalana Tsena  Tsy manarampenitra ny tsena  atao manara-  Safidiana tsara ny toerana mba penitra ny tsy hiovaova intsony tsena Fanatan-jahatena -Fivoarana ara-  Tsy misy politika mazava fitantanana ny  Hialàn’ireo  Fananganana foto-drafitrasa piharahamonina (ara tsosialy) fanatanjahan-tena tanora amin’ny fanatanjahan-tena amin’ny fidorohana alkaola sy zava-maha- domelina

17

Fambolena  Tsy manaram-penitra ny fomba  Hampitomboi  Fampifandraisana ireo ratsa- fambolena na mangaika momba ny hatramin’ny fambolena 80%ny vokatry ny tantsaha Fiompiana  Tsy voakarakara ny biby fiompy  Hatsaraina ny  Fanamafisana trakefa fasalaman’ny Fitadiavana Mpiara miobinantoka biby fiompy V. RAFI- PITANTANANA NY MIRALENTA Rafitry ny miralenta  Tsy mari-toerana ny rafitra miralenta  Fanatanjahan  Fampivondronana ireo liana a ara- amin’ny miralenta ho ao anaty panjakana ny fikambanana mivoy ny VMLF miralenta Fanamafisana ny fahaiza-manao  Tsy ampy fiofanana  Fampiofanana  Fanohizana ny fampiofanana ireo na lahy na vavy hahafantarana fikambanana ny atao hoe miralenta marina na olona mampihatra ny miralenta

2- TETIKASA FILAMATRA/LOHANY – HO FAMONGARANA NY HERISETRA ATAO AMINY VEHIVAVY Fiarovana  Tsy mbola fantatry ny olona marina  Fantatry ny  Fanetsehana ireo mpitandro izany hoe herisetra olona ny hoe filaminana herisetra sy ny lalàna mihatra mifanaraka

18

amin’izany

Fandraisana an-tanana  Tsy misy rafitra mpandray ireo voan’ny  Fananganana  Fitatiavana mpiara- herisetra rafitra miombon’antoka toy ny ACAT matanjaka sy ireo fikambanana hafa handraisana mpandra’y an-tanana ny an-tanana ny ihararan’ny herisetra voan’ny herisetra

19

TOVANA E: TOMBAN’NY ATRIKASA

TOMBANA

Lahy/Vavy  Lahy 7  Vavy 18 Firenena Madagasikara Kaominina ANKAZOABO Taona 12 - 17  18 -30 31- 40  41 - 50 51 – 60 60 +  00 04 07 07 06 01 Fianarana Ambarato Ambaratonga Oniversite Fanofanana ara- Fampianarana nga faharoa  02 kasa  olon-dehibe voalohany 18 03 02

Tombana:

Naoty /10 1. Firafitry ny fandaharana amin’ny ankapobeny 8,2 2. Ny votoatin’ny fandaharana 8,2 3. Tahirin-kevitra nampiasaina 7,9 4. Fampitan’ny tompon’andraikitra ny fiofanana 8,6 5. Asa isam-baomiera (travail de groupe) 9,6 6. Vokatra azo 8 7. Fanajana ny fandaharam-potoana 7,7 8. Fahalalana azon’ny mpiofana 6,1 9. Tombontsoa eo amin’ny fivelarana 7,5 10. Fandaminana ankapobeny (sakafo, toerana, sns) 7,4 Fanamarihana 1. Inona tamin’ny fandaharana no tena nahaliana anao? Antony?  Fampisongadinana ny miralenta eo anivon’ny kaominina  Ny fahafantarana ny asan’ny Ben’ny Tanäna  Filana fototra andavanandro sy filana maharitra mila paik’ady  Fianarana internet  Miralenta sy ny fampandrosoana  Hevitra fototra iompananan’ny miralenta  Ratsamangaika eny anivon’ny kaominina  Fanaovana projet de sociète

2. Inona tamin’ny fandaharana no tsy nilaina? Antony?

3. Ahoana ny fomba ampiharanao ireo fahalalana azonao teto amin’ny fiofanana?  Fanentanana ny vehivavy namana

Fanamarihana hafa?  Asiana per diem ny fiofanana ho an’izay eo an-toerana  Tokony hisy matetika ny atrik’asa  Tsy ampy ny fotoana hiofanana  Tokony handalo matetika ny PNUD  Tokony hisy fifandraisana tsy tapaka amin’ny internet  Tokony hatao hatreny amin’ny fokontany ity fiofanana ity  Tokony tsidihana matetika i ankazoabo  Tokony folo andro ny atrikasa

20