Stratégie et Plan d’Action pour le Développement Economique Local (SPADEL) Commune Rurale d’Antanambao Andranolava Date: 2018 TENY FANOLORANA NY PAIKADY SY DRAFITRASA FAMPANDROSOANA EKONOMIKA IFOTONY (SPADEL) 1. Inona no atao hoe SPADEL? Amin’ny fametrahana ny fitsinjaram-pahefana tena izy eto Madagasikara, ny tahin-kevitra (SPADEL) dia fitaovana iray entina hanaovana fandaminanasa hotanterahina izay mifototra amin’ny Fampandrosoana ekonomika ifotony. Ny tahirin-kevitra SPADEL dia ahitana ireo asa na fepetra laharam-pahamehana eny anivon’ny Kaominina mba hampiroboroboana ny lafiny ara- toekarena eny ifotony. Ny SPADEL dia vokatry ny faharesen-dahatra fa ny resaka DEL dia tsy hisy vokany azo tsapain- tanana eny amin’ny Kaominina ambanivohitra eto Madagasikara raha tsy misy ny drafitrasa mazava azo tanterahina ao anatin’ny fotoana voafetra, izany drafitrasa izany dia mifanaraka amin’ny zava-misy iainan’ny Kaominina sy ny zava-misy momba ny fametrahana ny paikadim- pirenena ho fampandrosoana ifotony eto Madagasikara. Ny asa laharam-pahamehana sy mirindra voafaritra ao antin’ny SPADEL dia mahakasika paikady sy lohahevitra maro toy ny fitantanana eny ifotony amin’ny lafiny ekonomika, ny fametrahana ireo fotodrafitrasa ara-toekarena, ny fampiroboroboana na fanatsarana ny seha-pihariana misy tombony, ny servisy omen’ny Kaominina ho an’ny sehatra tsy mianakina, ny fanamafisana ny fahaiza-manao ary ny fampivelarana ny fiaraha-miasa eo amin’ny fanjakana sy ny tsy miankina. 2. Inona no ampiasana ny SPADEL ary rahoviana? Ny SPADEL dia manome tari-dalana ho an’ny Kaominina sy ireo mpisehatra rehetra mba hanatratrarana ny fampandrosoana ekonomika mifototra amin’ny fitrandrahana ny otrikarena misy ao anatin’ny faritry ny Kaominina. Izany fampandrsoana ekonomiika izany dia atao amin’ny fiaraha- miasa ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina ary ny fanatsarana ny fisintonana ny mpampiasa vola hiasa ao amin’ny faritry ny Kaominina. Ny votoatin’ny SPADEL dia hahafahana mitsirika : . Ireo asa na fepetra tokony hotanterahana mba hisian’ny fampandrosoana ekonomika ifotony, . Ireo asa hahafahan’ny Kaominina miara-miasa amin’ny sehatra tsy miakina, . Ireo asa tokony hatao hanatsarana ny fisintonana ny fampiasam-bola avy amin’ny tsy miankina ao anatin’ny faritry ny Kaominina. Ny SPADEL ihany koa dia azo ampiasaina amin’ny sehatra maro amin’ny fampandehanana ny Kaominina toy ny: . Fivorian’ny sehatra ifotony fikaonan-doha (SLC) mikasika ny asa DEL sy fampiroboroboana ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy miankina na mpandraharaha ara-toekarena, . Fanapahan-kevitra ataon’ny filakevitra Kaominaly, . Fandrafetana tetibola fampandrosoana sy tetibola isan-taona . Fifankalozan-kevitra ataon’ny Kaominina amin’ny mpandraharaha ara-toekarena liana hampiasa vola ao anivon’ny Kaominina, . Fifanankalozan-kevitra ifanaon’ny Kaominina amin’ny mpiara-miombonantoka na mpamatsy vola te-hiasa eo anivon’ny Kaominina hampirindra sy hampifameno ny asan’izy ireo, . Fifanankalozan-kevitra hitadiavana tohana manokana hanatanterahana asa voalamina atao sy hamahana ireo vato misakana amin’ny fantanterahana ny asa. 3. Inona ny antony mahazava-dehibe ny fiaraha-miasa fanjakana sy sehatra tsy miankina amin’ny fandrafetana sy fanantaterahina ny SPADEL? Ny fiaraha-miasa ny Kaominina amin’ny sehatra tsy miankina dia anisan’ny singa iray lehibe hampahomby ny fampiroboroboana ekonomika ifotony satria amin’ny alalany no hahazoan’ny Kaominina tohana amin’ny fampandrosoana ireo asa mifototra amin’ny otrikarena misy ao aminy sy ireo zava-misy mampiavaka azy. Ny fiaraha-miasan’ ny Kaominina amin’ny mpandraharaha ihany koa dia hahafahany mamorona harena ifotony, na asa izay manatsara ny fidiram-bola ny Kaominina sy ny fari-piainan’ny mponina ao amin’ny faritry ny Kaominina amin’ny fitrandrahana ireo asa ekonomika na harena miavaka na hahazoana tombony tsara sy haingana. Maro ny Kaominina ambanivohitra malagasy no tsy ahitana fomba fiasa sy fitaovana entina hamporisihana ny fiaraha-miasa amin’ny mpandraharaha eo an-toerana na ivelan’ny Kaominina ; mamantatra ny tanjaka, ny fahalemena, ny tombondahiny ary ny otrikarena misy ao anatin’ny Kaominina dia mbola sarotra ho an’ny mpiantsehatra ifotony ; mandamina miaraka ireo asa laharam-pahamehana amin’ny fampandrosoana ekonomika dia mbola tsy tena mipetraka tsara; manana fitaovana na sehetra ifanankalozan’ny mpiantsehatra maro izay mijery ny lafiny ekonomika ifotony sy hahafahana mamantatra ireo fiaraha-miasa tokony hampiroboroboana dia tsy misy na tsy miasa eny anivon’ny Kaominina ambaninohitra eto Madagasikara. Ny SPADEL dia mampiseho ny fomba fiasa misokatra ataon’ny Kaominina mankany amin’ireo mpisehatra ekonomika samihafa izay liana hampiasa vola ao anatin’ny faritry ny Kaominina amin’ny vina ifampizarana momba ny fampandrosoana ekonomika ifotony izay natomboka. 4. Ahoana ny fifandraisan’ny SPADEL amin’ireo tahiri-kevitry ny fampandrosoana misy? Ny fisian’ny SPADEL dia tsy fitiavana te-hampiditra tahirin-kevitra fampandrosoana hafa ho an’ny Kaominina fa fanampiana azy hanana laminasa azo atao tsara ho fanatanterahana ny paikady fampandrosoana ekonomika, laminasa mifanaraka tsara amin’ny filan’ny rehetra sy ny vina ara- toekarenan’ny kaominina. Ny SPADEL dia nandray ireo paikady fampandrosoana misy eny anivon’ny Kaominina, faritra sy ny fanjakana foibe. Noho izany ny SPADEL dia mampiasa azy ireny amin’ny fomba mora tanterahina kokoa, famaritana sy fanatanterahana ireo asa mampiavaka ny Kaominina sy mamaly ny hetahetan’ny mpisehatra amin’ny lafiny fampandrosoana ekonomika ifotony. Izany fomba fiasa izany dia amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra maro hafa toy ny sehatra tsy miankina sy ny sehatra mpanome tohana izay misy eny anivon’ny Distrika na faritra indrindra ny sampandrahara teknika sy tranobe ny varotra sy indositria isam-paritra. Ohatra ny Drafitra Iombonana Fanajariana Tany (DIFT) ny Kaominina izay manana fe-potoana 15 taoana dia misy fototra 3 lehibe: lafiny ara-tsosialy, ara-toekarena sy tontolo iainana mamaly ny hetaheta amin’ny fanjariana maharitra ny faritry ny Kaominina. Noho izany ny SPADEL dia narafitra entina hanatanterahana ny lafiny ekonomika ny DIFT. Ny SPADEL dia fitaovana tsotra eo ampelantanan’ny Kaominina mba hahafahana manatanteraka ireo asa fampandrosoana ekonomika ifotony. Tsy tonga lafatra ny SPADEL fa azo hatsaraina sy havaozina araka ny zava-misy sy ny fivoaran’ny toe-draharaha eo amin’ny Kaominina sy ny firenena foibe. Stratégie et Plan d’Actions pour le Développement Economique Local (SPADEL) 1. Qu’est-ce qu’est la SPADEL ? Dans le cadre de la mise en œuvre effective de la décentralisation à Madagascar, le document Stratégie et Plan d’Action pour le Développement Economique local (SPADEL) est un outil de planification opérationnelle axé sur le développement économique local (DEL) identifiant les initiatives prioritaires au niveau communal pour promouvoir l’économie locale. Il est né de la conviction que le concept de « Développement Economique Local » n’aura pas d’impact significatif au niveau des Communes rurales malgaches et de sa population locale, s’il n'est pas fondé sur des plans détaillés et pratiques tenant compte des réalités de la vie communale et du contexte encore balbutiant de l'application de la stratégie nationale de développement local à Madagascar. Les actions prioritaires et cohérentes déterminées dans la SPADEL se réfèrent à plusieurs stratégies et thématiques, comme la gouvernance locale autour de l’économie, le développement des infrastructures économiques, le développement des secteurs économiques, des chaines de valeur, des services communaux en faveur du secteur privé, le renforcement des capacités et la promotion de partenariat public-privé. 2. A quoi sert cette SPADEL et quand l’utiliser ? La SPADEL donne des orientations à la commune et aux acteurs pour l'atteinte d'un développement économique basé sur la valorisation des potentialités économiques du territoire communal à travers des partenariats public-privé et une amélioration de l'attractivité du territoire pour des investisseurs potentiels. Par son contenu, il facilite l’identification : . Des actions et initiatives à développer pour la promotion du Développement Economique Local, . Des activités sur lesquelles la Commune peut ou devrait développer des partenariats avec le privé, . Les actions à entreprendre en matière d’amélioration de l’attractivité du territoire Communal et de promotion des investissements privés. Il peut servir à de nombreuses situations telles que : . Les séances de travail des Structures Locales de Concertation (SLC) promouvant les actions DEL et la collaboration avec le Secteur Privé . Les délibérations du Conseil Communal . L’élaboration du budget programme et budget annuel . Les discussions avec des opérateurs voulant investir dans la Commune . Les discussions avec les partenaires techniques et financiers . Les discussions pour un appui spécifique pour mettre en œuvre les actions planifiées et remédier aux obstacles au DEL. 3. Pourquoi le partenariat public-privé est-il important pour élaborer et mettre en œuvre la SPADEL ? Le partenariat de la commune avec le secteur privé est un des facteurs clés pour la promotion de l’économie au niveau local. Il permet à la commune le soutien et le développement des activités basées sur ses potentialités économiques et ses atouts. Ce partenariat favorisera également la création des richesses au niveau local qui améliorera les ressources propres de la commune et les revenus de la population locale par le développement des activités économiques potentielles
Details
-
File Typepdf
-
Upload Time-
-
Content LanguagesEnglish
-
Upload UserAnonymous/Not logged-in
-
File Pages30 Page
-
File Size-