Dahalo 5 maty voatifitra tany anaty lava-bato

Extrait du -Tribune.com https://www.madagascar-tribune.com/Dahalo-5-maty-voatifitra-tany,3971.html

Fanafihana tany Dahalo 5 maty voatifitra tany anaty lava-bato

- Malagasy -

Date de mise en ligne : mardi 8 janvier 2008

Madagascar-Tribune.com

Copyright © Madagascar-Tribune.com Page 1/2 Dahalo 5 maty voatifitra tany anaty lava-bato

Dahalo dimy maty voatifitra, basim-borona telo sy bala enina no tratra : izay no vokatry ny fifandonana teo amin'ny dahalo sy ny miaramila avy ao amin'ny DAS (Détachement autonome de sécurité) tany amin'ny tanànan'Ambondro-Ivory, kominina , distrikan'Iakora, faritra , ny zoma lasa teo, tamin'ny 3 ora tolakandro tany ho any.

Araka ny vaovao azonay avy any an-toerana, dia tamin'ny alin'ny alakamisy 3 janoary, tamin'ny 12 ora tany ho any no nanafika tao amin'ny valan'omby tao Besoa, kaominina Analavoka ireo dahalo valo lahy nitondra fiadiana sy moara. Teo am-pamakiana valan'omby ry zalahy no nisy nahatsikaritra. Mafy dia mafy moa ny fototr'ilay valan'omby ka tsy vakin'ireo dahalo. Nisy miaramila DAS tsy lavitra ilay tanàna, saingy tsy nahasakana ireo dahalo izany. Notapenan'izy ireo ny varavaran'ny miaramila. Mbola tsy nahazo na inona na inona moa izy ireo. Nifanenjehan'ny miaramila sy ny fokonolona niala tany Besoa ry zalahy ary tany amin'ny vohitra iray antsoina hoe Ambondro-Ivary no tratran'ireo mpanara-dia. Nasaina nijanona moa ry zalahy, araka ny nambaran'ny komandàn'ny Jenia Miaramila, ny kapiteny Michael Randrianirina any , saingy mbola ninia nandositra ihany. Voatery nitifitra ny miaramila. Tany anaty lava-bato moa ry zalahy no nisitrika. Dimy tamin'ireo dahalo no lavon'ny bala, iray azo sambo-belona ary roa tafatsoaka. Nanomboka tamin'ny 11 ora maraina ka hatramin'ny 3 ora antoandro moa ny fanenjehana ireo dahalo.

Voalaza fa efa dahalo nikoizan'ny maro hatramin'ny ela ireto dahalo maty voatifitra ireto.

Copyright © Madagascar-Tribune.com Page 2/2