2005-9 Malagasy Manual Complete

2005-9 Malagasy Manual Complete

BOKY TOROLALANA FIANGONAN’NY NAZAREANA 2005-2009 BOKY TOROLALANA FIANGONAN’NY NAZAREANA 2005-2009 TANTARA LALAM-PANORENANA FITONDRANA FOMBA AMAM-PANAO TRANO FAMOAHAM-BOKY NAZAREANA Kansas City, Missouri 2 3 Zon'ny mpandika 2005 Trano Famoaham-boky Nazareana Natonta teo ambany fahefan’ny Fivoriambe Fahenina amby roapolo natao tany Indianapolis, Indiana, Etazonia Jiona 26-30, 2005 Komitin’ny Fanontana amin'ny teny Anglisy DEAN G. BLEVINS CURTIS LEWIS JR FRANK M. MOORE JACK STONE Komitin'ny Fanontana amin'ny teny Malagasy DELYNA HERREN DAVID T. JOHNSON RENE RAKOTOMANGA LOVATIANA N. RAMIANDRISOA G. PATRICE RATOVOARILALA THERESE RAVELOMANANTSOA RICHARD RAVELOMANANTSOA ALICE RAVONINAHITRINIARIVO FELANIAINA RAZAFIMANANTSOA ISBN 083-412-2529 (Fonony Mafy) (Cloth) ISBN 083-412-2537 (Fonony Malemy) (Kivar) ISBN 083-412-2545 (Fonony Hoditra) (Leather Cover) Natontan'ny Biraon'ny Literatiora Madagasikara 4 Ny andinin-tsoratra Masina rehetra dia nalaina avy amin’ny “Ny Baiboly”, navoakan'ny Fikambanana Mampiely Baiboly Malagasy, 1965. 5 LALAM-PANORENAN’NY FIANGONANA SY FITSIPIKA MANOKANA (Laharana 1-99) FITONDRANA EO AN-TOERANA (Laharana 100) FITONDRANA ISAKY NY DISTRIKA (Laharana 200) FITONDRANA FOIBE (Laharana 300) FIANARANA AMBONY (Laharana 380) ASA FANOMPOANA KRISTIANA (Laharana 400) FITANTANANA ARA-PITSARANA (Laharana 500) FOMBA FANAO (Laharana 800) LALAM-PANORENANA FANAMPINY (Laharana 800) TARATASY (Laharana 800) FANAMPINY (Laharana 900) 6 7 TENY MIALOHA "Ny iraky ny Fiangonan'ny Nazareana dia mamaly ny Iraka Lehibe an'i Kristy manao hoe: 'Koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra'" (Matio 28:19). "Hampandroso ny Fanjakan'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fiarovana sy fanapariahana ny fahamasinana Kristiana araka izay hita ao amin'ny Soratra Masina no tanjona voalohan'ny Fiangonan'ny Nazareana." "Ny tanjona izay iriana fatratra ho an'ny Fiangonan'ny Nazareana dia ny fiombonana masin'ny Kristiana, ny fiovam-pon'ny mpanota, ny fahamasinana tanteraky ny mpino, ny fitomboany amin'ny fahamasinana ary ny fahatsoram-piainana sy hery ara-panahy nisy tamin'ny Fiangonana Voalohany tamin'ny andron'ny Testamenta Vaovao, miaraka amin'ny fitoriana ny filazantsara amin'ny olombelona rehetra." (25) Hanompo amin'ny maha-fitaovana fampandrosoana ny fanjakan'Andriamanitra azy amin'ny alalan'ny fitoriana filazantsara sy fampianarana manerana izao tontolo izao no antom- pisian'ny Fiangonan'ny Nazareana. Ny iraka ataontsika izay voafaritra mazava tsara dia ny hitazona sy hanaparitaka ny fahamasinana Kristiana araka ny voalazan'ny Soratra Masina, amin'ny alalan'ny fiovam-pon'ny mpanota, famerenana ireo niverin-dàlana, ary ny fanamasinana manontolo ny mpino. Ny tanjontsika dia tanjona ara-panahy, izany hoe, ny hitory ny filazantsara ho fanatanterahana ny Iraka Lehibe izay nomen'ny Tompontsika hoe "mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra" (Matio 28:19, jereo koa Jaona 20:21; Marka 16:15). Mino isika fa izany tanjona izany dia azo tanterahina tsara amin'ny alalan'ny fitsipika sy fomba fiasa ifanarahana, ahitana ny foto-pampianarana amin'ny finoana sy ny haavo amin'ny fahamendreham-pitondrantena ary fomba fiainana voasedra araka ny vanim-potoana. Ity edisiona 2005-2009 amin'ny Boky Torolàlana ity dia ahitana ny filazalazana fohy ara- tantara momba ny fiangonana; ny Lalàm-panorenan'ny fiangonana, izay mamaritra ny Teny Finoana, ny ahafantarantsika ny momba ny fiangonana, ny Fanekena momba ny Toetra Kristiana ho amin'ny fiainam-pahamasinana, ary ny Fitsipika fototra amin'ny fandaminana sy fitondrana; ny Fitsipi-pitondran-tena Kristiana, izay milaza ireo andinindininy manome ny vaha-olana eo amin'ny fiaraha-monina; ary ny fitsipiky ny fitondram-piangonana eo amin'ny sehatry ny fiangonana eo an-toerana, ny distrika, ary ny fandrindrana ny fiangonana foibe. Ny Fivoriambe no fahefana ambony indrindra amin'ny famolavolana ny foto- pampianarana sy ny fanovana lalàna eo amin'ny Fiangonan'ny Nazareana. Ity Boky Torolàlana ity dia ahitana ireo fanapahan-kevitra sy fitsarana ny asa fanompoana nataon'ireo mpanompo sy laika tao amin'ny Fivoriambe Fahenina amby roapolo, izay natao tao Indianapolis, Indiana, Etazonia, ny 26-30 Jiona 2005, ary noho izany dia manam-pahefana ho toy ny torolàlana ho enti-miasa. Satria ity no fanambarana ofisialy ny amin'ny finoana sy ny fomba fanao amin'ny fiangonana sady mifanaraka amin'ny fampianaran'ny Soratra Masina, dia manantena isika fa ireo olona ao amintsika any amin'ny toerana rehetra dia hanaiky ny foto-pampianarana sy ny torolàlana ary ny fanampiana ho amin'ny fiainana feno fahamasinana ao anatin'izy ity. Ny tsy fahavitana izany, taorian'ny fanaovana voady ny amin'ny fidirana ho mpikambana ao amin'ny Fiangonan'ny Nazareana, dia manimba ny fijoroana vavolombelon'ny fiangonana, sy mandika ny feon'ny fieritreretany, ary mampisaraka ny fiombonan'ny olona atao hoe Nazareana. Manana ny mampiavaka azy ny fitondram-piangonan'ny Nazareana. Raha lazaina amin'ny teny tsotra dia hoe fitondrana amin'ny alalan'ny solontena izany–sady tsy tena episkôpaly no tsy tena kôngregasiônaly. Koa satria ny laika sy ny mpanompo dia manana fahefana mitovy 8 lenta eo amin'ny fandinihana sy fanaovana lalàna ao amin'ny fiangonana, hita ao ny fifandanjan-kery izay ilaina sady mahomby. Tsy amin'ny maha sehatra ahafahana mandray anjara sy manompo ao amin'ny fiangonana fotsiny ihany no ahitantsika azy ity fa koa amin'ny maha adidy tsy maintsy atao sahanin'ny laika sy ny mpanompo azy. Zava-dehibe ny fanoloran-tena sy ny tanjona mazava tsara. Saingy ny olona izay kinga saina sy tsy nahazo fahalalana ka mifanaraka tsara amin'ireo fanao sy fomba fiasa ifaneken'ny rehetra no mampandroso haingana kokoa ny Fanjakan'Andriamanitra ary manatsara ny fijoroany vavolombelona ho an'i Kristy. Noho izany, dia anjaran'ny mpikambana ny mifankazatra sy mamantatra ity torolàlana ity – ny tantaran'ny fiangonana sy ny foto- pampianarana ary ny fomba fiainan'ny tena Nazareana. Ny fifikirana amin'ireo zavatra izay voasoratra dia mamelona ny fahatokiana an'Andriamanitra sy ny fiangonana ary hampitombo ny fahombiazana sy fandairan'ny ezaka ara-panahy ataontsika. Miaraka amin'ny Baiboly izay torolàlana ambony indrindra ho antsika, hazavain'ny Fanahy Masina, sy ny Boky Torolàlana izay fanambarana ofisialy ny finoana ekentsika, fitsipiky ny fiangonana sy ny endrim-pitantanana no hiandrandrantsika amim-pifaliana sy amin'ny finoana marina sy tsy miovaova ao amin'i Jesosy Kristy ny efa-taona ho avy indray. Ny Biraon’ny Mpitantana Foibe JAMES H. DIEHL JESSE C. MIDDENDORF PAUL G. CUNNINGHAM NINA G. GUNTER JERRY D. PORTER J.K. WARRICK 9 FIZAHAN-TAKILA Teny Mialoha 6 FIZARANA I Filazana ara-tantara 12 FIZARANA II LALAM-PANORENAN’NY FIANGONANA Savaranonando 22 Ny Teny Finoana 22 Ny Fiangonana 28 Toko momba ny fandaminana sy fitondrana 30 Fanitsiana 32 FIZARANA III NY FANEKENA AMIN'NY FITONDRAN-TENA KRISTIANA A. Ny Fiainana Kristiana 34 B. Fanambadiana sy Fisaraham-panambadiana ary/na ny Fanafoanana ny Fanambadiana 36 C. Ny Fahamasinan'ny fiainan'olombelona 38 D. Ny Firaisana ara-nofon’ny olombelona 40 E. Fitantanana Kristiana 41 F. Ireo mpiandraikitra ao amin’ny Fiangonana 42 G. Fitsipi-pandaminana 42 H. Fanitsiana ny Fanekena amin'ny Fitondran-tena Kristiana 42 FIZARANA IV FITONDRANA Savaranonando 44 I. NY FIANGONANA EO AN-TOERANA 44 A. Fandrindrana, Anarana, Fampitambarana, Fananana, Fetra tsy azo ihoarana, Fiombonana, Faharavana 44 B. Mpikambana 48 C. Komitin’ny Fitoriana Filazantsara sy Komitin'ny Fidirana ho Mpikambana Ao amin'ny Fiangonana 50 D. Fifindran'ny Mpikambana 50 E. Fampijanonana ny maha Mpikambana 50 F. Ny Fivoriam-piangonana 51 G. Ny Taonam-piangonana 53 H. Fiantsoana ny Mpitandrina 53 I. Ny fifandraisana eo amin’ny Mpitandrina sy ny Fiangonana 55 J. Fanavaozana indray ny fifandraisana amin'ny Fiangonana sy ny Mpitandrina 55 K. Ny Biraom-piangonana 57 L. Ireo mpitandrim-panahy 61 M. Ny Mpitandrim-pananana 62 N. Ny Birao ny Sekoly Alahady 62 10 O. Ny Tanora Iraisam-pirenena Nazareana/ Filan-kevitry ny TIN 66 P. Ny Akany fitaizana/Sekoly Nazareana (Vao teraka ka hatramin'ny ambaratonga faharoa) 67 Q. Ny Iraka Iraisam-pirenana Nazareana eo an-toerana 68 R. Fandrarana ny Fitadiavana Fanampiana ara-bola 68 S. Fampiasana ny Anaran’ny Fiangonana 69 T. Fikambanana tohanan’ny Fiangonana 69 U. Ireo Mpiara-miasa ao amin'ny Fiangonana eo an-toerana 69 II. NY FIHAONAN’NY DISTRIKA 71 A. Faritra sy Anarana 71 B. Ny Mpikambana sy ny Fotoam-pivoriana 73 C. Ny Andraikitry ny Fivorian’ny Distrika 74 D. Ny Fitanana an-tsoratra ny Fivorian’ny Distrika 78 E. Ny Mpitantana ny Distrika 78 F. Ny Mpitantsoratry ny Distrika 82 G. Mpitahiry volan'ny Distrika 83 H. Ny Biraon'ny Mpanolo-tsaina ny Distrika 83 I. Ny Birao mpanome taratasy Fanamarinana ho amin’ny Asa Fanompoana ao amin’ny Distrika 86 J. Ny Biraon’ny Fianarana Asa Fanompoana ao amin’ny Distrika 87 K. Ny Birao misahana ny Fitoriana ny Filazantsara ao amin’ny Distrika na ny Talen’ny Fitoriana ny Filazantsara 89 L. Ny Birao miandraikitra ny Fananan’ny Fiangonana ao amin’ny Distrika 89 M. Ny Komitin’ny Vola ao amin’ny Fivorian’ny Distrika 90 N. Ny Filoha Mpitaiza ara-panahy ao amin'ny Distrika (Aumonerie) 90 O. Ny Biraon'ny Sekoly Alahady ao amin’ny Distrika 90 P. Ny Tanora Iraisam-pirenena Nazareana ao amin’ny Distrika 92 Q. Ny Fikambanan’ny Iraka Iraisam-pirenena Nazareana ao amin'ny Distrika 93 R. Ny Mpanampy karamain'ny Distrika 93 S. Ny Faharavan'ny Distrika 94 III. NY FIHAONAMBE 95 A. Asa sy Fandrindrana 95 B. Ny mpikambana ao amin’ny Fihaonambe 95 C. Ny Fotoana sy ny Toerana Ivoriana 96 D. Fotoam-pivoriana Manokana 96 E. Ny Komity Mpandamina ao amin'ny Fihaonambe 97 F. Ny Andraikitry ny Fihaonambe 97 G. Ny Mpitantana Foibe 98 H. Ny Mpitantana Foibe amim-boninahitra sy Misotro Ronono 99 I. Ny Biraon’ny Mpitantana Foibe 100 J. Ny Sekretera Jeneraly 102 K. Ny Mpitahiry vola Foibe 103 L. Ny Birao Foibe 103 M. Ny Birao Mifandray amin’ny Fiangonana Foibe 109 N.

View Full Text

Details

  • File Type
    pdf
  • Upload Time
    -
  • Content Languages
    English
  • Upload User
    Anonymous/Not logged-in
  • File Pages
    277 Page
  • File Size
    -

Download

Channel Download Status
Express Download Enable

Copyright

We respect the copyrights and intellectual property rights of all users. All uploaded documents are either original works of the uploader or authorized works of the rightful owners.

  • Not to be reproduced or distributed without explicit permission.
  • Not used for commercial purposes outside of approved use cases.
  • Not used to infringe on the rights of the original creators.
  • If you believe any content infringes your copyright, please contact us immediately.

Support

For help with questions, suggestions, or problems, please contact us