FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA Natao ny Zoma 16 Aogositra 2019 Maraina Pejy - Fitohizan’ny fivoriana ............................................................................................................ 01 - Famakiana ny andininy faha-99 ao amin’ny Lalàmpanorenana sy ny andininy faha-171 ao amin’ny Fitsipika Anaty ...................................................................... 01 - Fiantsoana anarana ................................................................................................................ 02 - Fanolorana ny PGE nataon’Andriamatoa Praiminisitra ........................................................ 02 - Fanomezana soso-kevitra sy fanamarihana nataon’ny Solombavambahoaka ..................... 26 - Fanampim-panazavana nentin’Andriamatoa Praiminisitra .................................................. 122 - Fandraisam-pitenenan’ny Vondrona Parlemantera ............................................................. 130 - Fiatoan’ny fivoriana ............................................................................................................... 135 1 FIVORIAMBE FILOHA: Ramatoa RAZANAMAHASOA Christine Harijaona MPITANTSORATRA: - Ramatoa MICHELLE Bavy Angelica - Andriamatoa RASOLONJATOVO Honoré FOTOANA: Zoma 16 Aogositra 2019, tamin’ny 10 ora sy 35 minitra, maraina. FANDAHARAM-POTOANA: Fanoloran’Andriamatoa Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta, NTSAY Christian, ny fandaharan’asa fanatanterahana ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana. - 1 - - Fitohizan’ny fivoriana - Ramatoa FILOHA Tompokolahy sy Tompokovavy, Mitohy ny fivoriantsika. Manolotra ny fiarahabana an’Andriamatoa Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta sy ianareo mpikambana ao amin’ny Governemanta tonga manatrika etoana. Miarahaba antsika Solombavambahoaka koa amin’izao fivoriana maraina izay atrehantsika izao. Ny fandaharam-potoana androany Zoma 16 Aogositra 2019 dia fivoriambe hanoloran’Andriamatoa Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta eto anoloantsika Antenimierampirenena ny fandaharan’asa momba ny fampiharana ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana. Alohan’izany anefa, miangavy an-dRamatoa Mpitantsoratra hamaky ny andininy faha-99 ao amin’ny Lalàmpanorenana ary ny andininy faha-171 ao amin’ny Fitsipika Anaty mifehy ny Antenimierampirenena. - 2 - - Famakiana ny andininy faha-99 ao amin’ny Lalàmpanorenana sy ny andininy faha-171 ao amin’ny Fitsipika Anaty - Ramatoa MICHELLE Bavy Angelica Andininy faha-99 ao amin’ny Lalàmpanorenana. Ao anatin’ny 30 andro nanendrena azy no anoloran’ny Praiminisitra ny fandaharan’asany momba ny fampiharana ny politika ankapoben’ny fanjakana amin’ny Antenimiera izay afaka manome tolo-kevitra. Raha tsapan’ny Governemanta eo am-panatanterahana ny asa fa misy fanovàna fototra tokony hatao amin’io fandaharan’asa io dia entin’ny Praiminisitra eny amin’ny Antenimierampirenena izay afaka manome tolo-kevitra izany fanovàna izany.” 2 Andininy faha-171 andalana voalohany, ao amin’ny Fitsipika Anaty mifehy ny Antenimierampirenena. Araka ny andininy faha-99 ao amin’ny Lalàmpanorenana, ny Praiminisitra no manolotra ny fandaharan’asany momba ny fampiharana ny politika ankapoben’ny fanjakana amin’ny parlemanta izay afaka manome soso-kevitra. Ramatoa FILOHA Misaotra anao, Ramatoa Mpitantsoratra. Izao dia hiroso amin’ny fiantsoana anarana, koa miangavy an’Andriamatoa Mpitantsoratra mba hanatanteraka izany. - 3 - - Fiantsoana anarana - Andriamatoa RASOLONJATOVO Honoré AFAKANDRO Alphonse ……………………………………………………… ……………………………………………….………………… ……………………………………………………………………………. ZAFINANDRO Perle Bien Aimée Ramatoa FILOHA Misaotra anao, Andriamatoa Mpitantsoratra. Omena, an’Andriamatoa Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta ny fitenenana hanolorany antsika ny fandaharan’asan’ny Governemanta. Koa miangavy anao, Andriamatoa Praiminisitra, handroso etz anoloana hanatontosa ny fanolorana izany programan’asa izany. Omena anao ny fitenenana, Tompoko. - Tehaka - - 4 - - Fanolorana ny PGE nataon’Andriamatoa Praiminisitra - Andriamatoa NTSAY Christian, Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta Misaotra indrindra, Tompoko. Ramatoa Filohan’ny Antenimierampirenena; Ramatoa sy Andriamatoa isany Mpikambana ao amin’ny Birao Maharitra; Ramatoa sy Andriamatoa isany Minisitra, Mpikambana ao amin’ny Governemanta; Ramatoa sy Andriamatoa isany Solombavambahoakan’i Madagasikara; Isika rehetra manatrika etoana; Tompokolahy sy Tompokovavy, 3 Raisiko an-kafaliana tokoa ny fitenenana eto anatrehanareo amin’ny maha Praiministra, Lehiben’ny Governemanta ny tenako ka hamelabelarako ny fandaharan’asa ho fanatanterahana ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana izay nankatoavina teo anivon’ny Filankevitry ny Minisitra tamin’ny faha-31 Janoary 2019. Noho ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny herim-pon’ny tomponandraikitra rehetra dia vita soa aman-tsara tokoa ny fifidianana Solombavambahoaka ka nahavoafidy anareo. Manantitra ny fiarahabana an-dRamatoa Filohan’ny Antenimierampirenena amin’ny nahazoany ny fitokisan’ny Solombavambahoaka, ka nametraka azy ho Filoha. Miarahaba ihany koa ireo mpikambana rehetra ao amin’ny Birao Maharitra. Ny tenako dia manantitra ihany koa etoana ny fisaorana sy ny fiarahabana ny vahoaka Malagasy tsy vakivolo tamin’ny fitoniana, ny fahendrena sy ny fitiavan-tanindrazana nasehony nandritra iny fifidianana iny. Mariky ny fitandroana sy fandalàna ny firaisam- pirenena izany, ka iriko fa mbola hitohy hatrany amin’ny fiatrehana ny fifidianana manaraka sy ny fiainan’ny firenentsika ho avy. Amin’ny anaran’ny Governemanta tarihiko sy amin’ny anaran’ny tenako manokana no anehoako fisaorana eram-po, eran-tsaina an’Andriamatoa Andry RAJOELINA, Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara sy ianareo Solombavambahoaka amin’ny fametraham-pitokisana, ny fanolorana ary ny nanendrena ahy indray ho Praiministra. Manamafy ny fisaorana amin’ny nahatafatsangana soa aman-tsara ny Governemanta sy ny mpikambana ao anatiny araka ny Andininy faha-54 ao amin’ny Lalàmpanorenana. Ramatoa Filoha, Tompokolahy sy Tompokovavy, Ny Andininy faha-63 ao amin’ny Lalàmpanorenana, andalana voalohany dia milaza fa anjaran’ny Governemanta no mamadika ho Fandaharan’asan’ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana izay natolotry ny Filohampirenena araka ny Andininy faha-55, Andalana faha-6, mba hampiharana ireo Velirano miisa 13 nifanaovan’ny Filohampirenena tamin’ny vahoaka Malagasy. Feno ny rafitra ankehitriny amin’ny Fanjakana foibe, tafapetraka soa aman-tsara ny Governemanta sy ny Antenimierampirenena, koa raisinay ho adidy araka ny voalazan’ny Andininy faha-99 ao amin’ny Lalàmpanorenana ny manolotra etoana ireo fotokevi-dehibe raketin’ny Fandaharan’asa miainga avy amin’io Politika Ankapoben’ny Fanjakana izay efa voalazako teo aloha io. Natao izany mba ho tonga tamberin’andraikitra mivaingana, hita maso sy azo refesina izay andrandrain’ny vahoaka Malagasy amintsika rehetra tomponandraikitra ankehitriny miaraka amin’ireo rantsamangaika rehetra na aiza na aiza misy azy. Ny fanatanterahana izany dia hovelabelarina etoana ao anatin’ireto lohahevitra dimy lehibe manaraka ireto, ka ahitana ny ankapoben’ny asa hatao: 1. Ny lafiny Fitantanana 2. Ny lafiny Fandriampahalemana sy Filaminana 4 3. Ny sehatry ny Toekarena 4. Ny sehatry ny Tontolo iainana 5. Ny lafiny Sosialy Ramatoa Filoha, Tompokolahy sy Tompokovavy, 1. Ny lafiny Fitantanana 1.1. Ady amin’ny kolikoly, tsy misy fandeferana Hatsaraina hatrany ny fitantanana ny raharaham-panjakana ary hotohizana sy hamafisina ny fampiasana ny «E-gouvernance» hanatsarana ny fampandehanana ny asa rehetra. Hisy ny famolavolana ny paikadim-pirenena momba ny «E-gouvernance» izay eo am-pamolavolana azy ankehitriny. Singanina manokana ny fampiasana ny rindrambaiko AUGURE entina hitantanana ny mpiasam-panjakana. Vitaina amin’ny volana Septambra 2019 ho avy izao ny fampidirana ny anaran’ny mpiasam-panjakana rehetra sy ny momba azy ao anatin’io AUGURE io. Ny tanjona dia ny hitantanana ny isan’ny mpiasam-panjakana amin’ny alalan’ny AUGURE izay hifandray ho azy amin’ny fitantanana ny karaman’ny mpiasam-panjakana. Hotohizana ny fampiasana teknolojia vaovao amin’ny fitantanana sy fanaraha-maso ny karapanondrom-pirenena. Izany dia tafiditra amin’ny fanatsarana ny fomba fitantanana sy hiadiana amin’ny hosoka ary mba hananantsika antontan’isa azo antoka sy hampihenana ny fisian’ny karapanondro hosoka. Hampiasana teknolojia vaovao koa ny fahazoan-dàlana hitondra fiara (permis de conduire biométrique) sy ny taratasy mirakitra ny mombamomba ny fiara (Carte grise). Foibe miisa 12 no hametrahana izany eto amintsika, izay efa natomboka any amin’ny renivohi-paritany 6 eto amin’ny nosy, ka haparitaka ihany koa amin’ny renivohi-paritra 6 hafa ary kendrena ho vita mialohan’ny faran’ny taona 2020 izy rehetra. Ny ady amin’ny kolikoly dia hifantoka ihany koa amin’ny fikirakirana ny taratasin’omby. Alohan’ny faran’ny volana Oktobra 2019 ho avy izao dia hivoaka ny rijan-teny mba hametrahana ny vidin’ny FIB (Fiche Individuelle des Bovidés) sy ny Bokin’omby ho sarany iray mitovy maneran’i Madagasikara. Izany no hatao mba hiadiana amin’ny kolikoly amin’ny fomba maharitra izay mianjady indrindra indrindra amin’ireo tantsaha sy mpiompy any ambanivohitra rehetra any. Eo amin’ny asam-panjakana, efa natomboka ary hafainganina ny fomba enti-manatanteraka ny asa araka ny fototra tsy miova «Standard de services» eny amin’ny toeram-piasana mikirakira ny raharam-bahoaka mba ahafahan’ny olona rehetra mahalala mialoha ny pitsopitson’ny taratasy ilaina, ny sarany ary ny fotoana iandrasana ny valiny. Izany no atao mba ho fampitoviana ny fomba fiasa eo anivon’ny sampan-draharaham-panjakana sy hialana amin’ny kolikoly eny amin’ny
Details
-
File Typepdf
-
Upload Time-
-
Content LanguagesEnglish
-
Upload UserAnonymous/Not logged-in
-
File Pages143 Page
-
File Size-